Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1998

Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1998

Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1998

TAMIN’NY feo feno fahadodonana, i Joela mpaminany dia nanambara mialoha ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Ary nampahafantatra ny fomba hahatafitana velona izy, rehefa nanoratra hoe: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. — Joela 1:15; 2:1; 3:1-5.

Nisy andron’i Jehovah toy izany nihatra tamin’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Fotoana nampiharan’i Jehovah didim-pitsarana izy io. Taona maro mialoha, dia efa nampitandrina ny mponin’i Joda sy i Jerosalema izy fa hampamoahina izy ireo noho ny tsy fanajan’izy ireo azy. Marina aloha fa nahafantatra sy nampiasa ny anarany izy ireo, nefa tsy nitady tamim-pahatsorana ny toro lalany. Tsy dia tena ninoan’izy ireo hoe hampamoaka azy ireo noho ny zavatra nataony, i Jehovah. (Neh. 9:26; Zef. 1:4-6, 12). Raha niantso an’i Jehovah izy ireo tao anatin’ny fahoriana, dia ho fihatsarambelatsihy izany, ary i Jehovah dia efa nilaza fa tsy hihaino izy. (Jer. 11:10, 11). Rehefa ringana anefa i Jerosalema, ireo tia ny fahitsiana, toa an’i Jeremia, i Baroka, i Ebeda-meleka, ary ny zanak’i Jonadaba, dia voatsimbina, satria nitady tamim-pahatsorana hanao izay mahitsy araka an’Andriamanitra sy izay nampifaly azy izy ireo.

Nanazava ny apostoly Petera fa tanteraka tamin’ny taonjato voalohany koa ny faminanian’i Joela. Notarihin’ny fanahy masina i Petera, ka nampiseho fa izay nitranga tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. dia fahatanterahan’izay nosoratan’i Joela momba ny handatsahana ny fanahin’Andriamanitra alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Io andron’i Jehovah io dia tonga tamin-kery mba handringana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. (Asa. 2:16-21). Kanefa, 14 taona teo ho eo talohan’io, dia nanoratra tamin’ireo Kristiana tany Roma ny apostoly Paoly ary nanonona ny teny ao amin’ny Joela 3:5. (Rom. 10:13). Fa nahoana? Mba hanantitranterana fa tsy nanavakavaka na ny Jiosy na ny Grika Andriamanitra. Araka ny nosoratan’ilay mpaminany, “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah” dia hahazo famonjena. Nahoana anefa ny Kristiana tany Roma no nila ny hampitandremana ny amin’ny fandringanana hanjo an’i Jerosalema lavitra avy teo? Mba hijanonan’izy ireo tany ivelan’ilay faritra nampidi-doza. Izay rehetra nandeha hankalaza ny Paska jiosy tany Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. dia tratra tao, rehefa nihatra tamin’ilay tanàna ny loza. Efa ho efa-taona talohan’izay anefa, ireo izay nankatò ny teny nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany, dia niala tao amin’io tanàna voaheloka io. — Lioka 21:20-22.

Misy andron’i Jehovah iray mbola hisy fiantraikany lehibe lavitra noho ireny aza eo anoloantsika ankehitriny. Hahatratra ny eran’ny vazan-tany io didim-pitsaran’i Jehovah io. Ho afaka hahazo famonjena anefa ny rehetra — na inona na inona fireneny, firazanany na fiteniny — izay miantso amim-pinoana feno ny anaran’i Jehovah, ka maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany. (Apok. 7:9, 10). Kanefa, hoy ny fanontanian’ny Romana 10:14: “Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny?” Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky fa mahadodona ny fanomezana ho an’ny rehetra io fahafahana io.

Nandritra iny taom-panompoana lasa iny, nanomboka tamin’ny Septambra 1996 ka hatramin’ny Aogositra 1997, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao fitoriana mampiaiky volana momba an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny Fanjakana Mesianika. Tany sy nosy ary faritany 232 no nahazoana tatitra momba ny fitoriany ampahibemaso. Asehon’ilay tatitra fa ora maherin’ny arivo tapitrisa, 1 179 735 841, raha ny marimarina kokoa, no natokana ho an’io asa io! Tamin’ny antsalany, dia fampianarana Baiboly 4 552 589 no notarihina, ary olona 375 923, izay mampiseho tampon’isa vaovao, no natao batisa ho mariky ny fanolorany tena ho an’i Jehovah.

Mampiaiky volana indrindra io fitoriana maneran-tany io, rehefa takatsika hoe iza no manao azy. Olona avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra izy ireo — miteny amin’ny fiteny an-jatony maro. Maro no miady mafy eo amin’ny ara-bola, toy ny olon’itỳ tontolo manodidina azy itỳ ihany. An’arivony maro no any amin’ny tany rotidrotiky ny ady. Maro amin’ireo izay mitory amim-pahatokiana no miady amin’ny aretina mafy. Na dia teo aza ireo fisehoan-javatra nampivarahontsana tany Rwanda, ireo Vavolombelona any, ankoatra ny mpisava lalana, dia mandany 20 ora mahery isam-bolana amin’ny antsalany, eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Nandritra ilay tabataba tany Albania, ireo mpitory any dia nanao ezaka manokana mba hitory tamin’ilay vao maraina mbola somary tony iny — talohan’ny nanombohan’ny fitifirana.

Isam-bolana, naneran-tany, dia nisy 5 353 078 tamin’ny antsalany nandray anjara tamin’ny asa fanambarana ilay Fanjakana. Nisy fotoana tamin’iny taona iny nahitana tampon’isa vaovao teo amin’ireo nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha: 5 599 931. Misy tafika iray manontolo amin’ny mpisava lalana tafiditra ao amin’io — 706 270 tamin’ny antsalany isam-bolana. Mihoatra noho izay rehetra nisy hatramin’izay io isa io. Inona no nahatonga izany?

Fanoinana tamin-kafanampo ny antso manokana iray

Teo am-piandohan’ny 1997, dia nalefa ilay antso hoe: “Tadiavina — Mpisava Lalana ...”. Tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, dia nisy fanoloran-kevitra azo nampiharina momba ny fomba azon’ny olona iray nandaminana ny fotoanany mba hanaovana azy io. Nisy fampirisihana tamim-pitiavana mba handraisana anjara tamin’io fanompoana io nandritra ny iray volana na mahery, teo anelanelan’ny Martsa sy May. Ny sampana tsirairay no samy nametra ny tanjony avy. Ohatra, 100 000 ho an’i Etazonia, 20 000 ho an’i Philippines, 10 000 ho an’ny Repoblikan’i Korea, 2 000 ho an’i Nouvelle-Zélande, 350 ho an’i Liberia.

Nanao ahoana ny fanoinan’ny mpanompon’i Jehovah io antso io? Nanome porofo mahatalanjona izy ireo fa tena “mazoto manolo-tena” marina izy ireo, araka ny nambaran’ny Salamo 110:3 mialoha. Nandritra ny Martsa, i Goadelopy dia nihoatra 43 isan-jato ny tanjony teo amin’ny isan’ny mpisava lalana mpanampy; i Ekoatera nihoatra 73 isan-jato. I Porto Rico, izay nahitana 4 173, dia nihoatra avo roa heny mahery ny isa nantenaina. Na dia teo aza ny fahasahiranana ara-bola tany Ukraine, rehefa nalefa ilay antso ho an’ny mpisava lalana mpanampy 5 000, dia 10 365 no nirotsaka. Tany Etazonia, ny tontalin’isan’ny mpisava lalana mpanampy nandritra ireo telo volana dia 251 880. Io isa io dia mihoatra ny 130 isan-jato ny isa tamin’io fe-potoana io ihany tamin’ny taona talohan’io.

Ezaka fanampiny be dia be no nataon’ny mpitory mba handraisana anjara tamin’io ezaka manokana io. Nanao ahoana ny vokatra azo? Hoy ny biraon’ny sampan’i Liberia: “Tena nanomboka nandroso mihitsy ny asa fitoriana tamin’iny ezaka manokana tamin’ny Martsa iny. Mitaky fahafoizan-tena be ny fanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy eto amin’itỳ tany rotidrotiky ny ady itỳ. Ny sasany amin’ireo rahalahinay sy anabavinay dia namoy ny fananany rehetra intelo. Ho an’ny ankabeazany, dia ny fanomezana hanina indray mandeha isan’andro fotsiny ho an’ny ankohonany, angamba ‘vary misy menaka palmie’ na ‘varimbazaha nandrahoina’ iray baolina fotsiny, no mitana ny sainy indrindra. Toa tsy ho tratranay ilay tanjona ny amin’ny mpisava lalana 350, izay 25 isan-jaton’ny salanisan’ny mpitory tamin’ny taon-dasa. Kanefa nitoky tamin’i Jehovah ireo rahalahinay, ka nanoina tsara ilay antso, ary tampon’isa miavaka teo amin’ny mpisava lalana mpanampy 496 no azonay tamin’ny Martsa! Miaraka amin’ny mpisava lalana maharitra 150 sy ny mpisava lalana manokana 29, dia ny 42 isan-jaton’ny mpitory rehetra nitory tamin’ny Martsa no tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana!”

Ahoana ny amin’ireo faritany efa voasa isan-kerinandro na matetika kokoa aza? Any amin’ny faritra iray any akaikin’ny biraon’ny sampan’i Kolombia, dia hoy ny rangahy iray tamin’ny mpisava lalana iray: “Tsy mampino izy izany. Rehefa hiditra ny aotobisy aho anikeheo tany Faca, dia nohatonin’izy ireo. Ny andro tontolo aho dia hitan’izy ireo — teny ambony aotobisy, hatraiza hatraiza. Efa amin’ny valo ora alina izao, dia mbola eo ihany ianareo.” Fa nahoana moa? Satria maniry hanampy ny olona handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tian’izy ireo koa ny ho afaka amin’ny ran’ireo izay mandà io fahafahana io. — Ezek. 3:19; Asa. 20:26, 27.

Ny volana Martsa, mazava ho azy, no nankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nisy fomba tsara kokoa nahafahantsika nampiseho ny fankasitrahana ny hevitr’izy io ve, noho ny fampitomboana ny fandraisantsika anjara tamin’ilay asa nankinin’ilay Zanak’Andriamanitra tamin’ireo mpanara-dia azy! — Matio 28:19, 20; Asa. 1:8.

“Aza mitsahatra manao izao”

Ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty dia nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’ny Kristiana marina rehetra. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, (...) ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (2 Kor. 5:14, 15). Tamin’ny andro farany niainany teto an-tany, dia nanorina ny fahatsiarovana ny fahafatesany i Jesosy Kristy. Isan-taona, ireo mpanara-dia azy voahosotry ny fanahy dia tokony hahatsiaro ny nahafatesany ho sorona. Tamin’ny 23 Martsa 1997, dia nanao izany izy ireo ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy. (1 Kor. 11:25, NW ). Nisy mpitazana an-tapitrisany maro hafa niaraka tamin’izy ireo. Ny tontalin’isan’ny mpanatrika naneran-tany dia 14 322 226, nanan-tombo iray tapitrisa mahery ny isa tamin’ny 1996. Tena porofo mahatalanjona ny amin’ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fitahiany izany!

Tany amin’ny toerana maro, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena be zotom-po nanasa ny hafa hiara-manatrika taminy ny Fahatsiarovana. Tany Togo, ireo mpitory 19 tao amin’ny tanàna kelin’i Game Seva dia faly nahita mpanatrika 820. Ireo mpitory 209 mahaforona ny kongregasiona ao Aksu, any Kazakhstan, dia faly nandray olona 1 080 tamin’io fisehoan-javatra manokana io. Tao Ekpe, any Bénin, ireo mpitory 56 dia tena talanjona sady faly nahita olona 1 351 tonga tamin’io fisehoan-javatra io. Ny groupe iray tsy nisy afa-tsy mpitory efatra any Gbapa, any Liberia, dia niverimberina nitsidika ny olona nandritra ny Martsa mba hampahatsiahivana azy ireo fa zava-dehibe ny Fahatsiarovana. Ho vokany, dia olona 193 no nanatrika tao amin’io tanàna kely io.

Fampiharana ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay

Ny tapany tena lehibe amin’ny fanompoana kristiana dia ny fanaovana mpianatra. Talohan’ny niverenany tany an-danitra, dia nandidy ny mpanara-dia azy mba ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, hanao batisa azy, hampianatra azy’ i Jesosy. (Matio 28:19, 20, NW ). Mifanaraka amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia manasa ny olona hanararaotra ny fandaharam-pampianarana Baiboly manokana maimaim-poana. Tamin’iny taon-dasa iny, tamin’ny antsalany, dia fampianarana 4 552 589 toy izany no notarihina isam-bolana.

Ny sasany tamin’izy ireny dia notarihina tamin’olona nitady ny fahamarinana. Ny lehilahy iray tany Liban dia nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tao anaty fanariam-pako. Rehefa avy namaky azy ireo izy, ka nahita ilay fanolorana fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano, dia nandeha nitady ny Vavolombelona.

Ny hafa kosa nihevitra fa tsy liana ny tenany. Tany Vanuatu, any Pasifika atsimo-andrefana, ny zanakalahin’ny ben’ny tanàna iray nianatra ny fahamarinana dia tezitra satria hoe niala tamin’ny Fiangonana Presbyteriana sady nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Kanefa, indray andro, dia afaka niresaka tamin’io zanakalahy io ny mpisava lalana iray ary nanolotra ny hampiseho taminy ny fanaovana fianarana Baiboly “ho fanandramana fotsiny”. Ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? no nampiasaina. Rehefa avy nahavita foto-kevitra iray izy ireo, dia nangataka fianarana fanindroany sy fanintelony ilay tovolahy. Tsy ela izy dia nianatra indroa isan-kerinandro sy nanatrika fivoriana.

Raha vao manandrana ilay fianarana ny olona, dia maro aminy no maniry hianatra imbetsaka isan-kerinandro. Marina izany ny amin’i Lars, lehilahy iray any Danemark, izay nilaza tena ho olona tsy nino an’Andriamanitra. Rehefa nanaiky hamaky ny boky La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? izy, tsy ela dia niaiky fa misy Andriamanitra. Avy eo izy dia may ny hianatra bebe kokoa — may aoka izany izy, ka tsy ela dia nianatra intelo isan-kerinandro tamin’ny alalan’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Rahalahy telo no nifandimby nitarika ireo fampianarana ireo.

Mazava ho azy fa tsy ampy ny fananana fahalalana fotsiny. Mila manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray. Indraindray dia goavana ny fiovana tsy maintsy ataony. Naharikoriko aoka izany ny fitondran-tenan’ny tovolahy iray tany Indonezia, hany ka natolotry ny ray aman-dreniny konfiosianista tany amin’ny manam-pahefana izy, satria hoe tsy azo nanarina intsony. Ny fahatsoram-po sy ny fitiavana naseho azy anefa, rehefa nankany amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany izy tamin’ny farany, dia nahatonga azy haniry hahafantatra an’i Jehovah. Rehefa avy nianatra roa volana monja izy, dia nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany — tsy nifoka sigara intsony, tsy nampiasa zava-mahadomelina intsony. Tsy ela izy dia tonga mpitory, avy eo dia natao batisa ary tonga mpisava lalana mpanampy sy mpisava lalana maharitra — izany rehetra izany dia tao anatin’ny 15 volana!

Tena marina, araka ny nambaran’ny Apokalypsy 7:9, 10 mialoha, fa misy “olona betsaka” avy amin’ny firenena, ny foko, ny vahoaka ary ny fiteny rehetra, mipoitra mba hanompo an’i Jehovah.

Mahay mahita hevitra mba hahatratrarana ny olona

Fony i Jesosy Kristy nanatanteraka ny fanompoany, dia nankany amin’izay nisy ny olona izy. Izany dia nitondra azy tany an-tranon’ireo olona. Nitory tany amin’ny toerana nisy mpanjono nanadio ny haratony koa izy, sy teo am-pantsakan’ny tanàna kely iray, ary tao amin’ny tempoly tao Jerosalema. (Matio 13:1, 2; 26:55; Lioka 5:1-3; Jaona 4:5-26). Ny apostoly Paoly koa dia nitory ampahibemaso sy nandeha “isan-trano”, satria izany no fomba tsara indrindra nahazoany antoka fa tsy nisy hadinony. (Asa. 20:20). Manahaka izany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, ka mandeha any amin’izay misy ny olona.

Be dia be kokoa noho ny hatramin’izay ny fitoriana atao an-telefaonina. Izy io dia ahafahan’ny Vavolombelona mifandray tsy tapaka amin’ireo izay mipetraka ao amin’ireo trano voaro mafy sy trano avo mihidy ary fitambaram-ponenana mihidy vavahady. Ny telefaonina dia ampiasaina koa mba hahatratrarana an’ireo mponina any amin’ireo nosikely mitokana an-jatony maro mahaforona an’i Bahamas. Hatramin’izay dia sakana lehibe foana ny halavirana sy ny saran’ny fahatongavana tany amin’izy ireny. Izao anefa dia azo atao ny manao “fitsidihana” tsy tapaka amin’ny alalan’ny telefaonina.

Ny mpitory iray any amin’ny Repoblika Dominikana dia faly mitory any amin’ny seranam-piaramanidina. Hoy ny tantarainy: “Faritany manokana ny seranam-piaramanidina. Tsy manana pasipaoro aho, nefa dia afaka miresaka amin’ny olona avy amin’ny firenena maro. Mampiseho lahatsoratra manintona, izay azon’ireo mpandeha entina eny ambony fiaramanidina, aho. Manatona an’ireo olona manatitra na mitsena mpandeha koa aho. Mahapetraka gazety 30 eo ho eo isan’ora aho. Izao ireo mpiasan’ny seranana dia miandry ahy mba hahazoany ireo nomerao farany. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny iray tamin’ireo mpiasa ireo aho.” Tamin’iny taon-dasa iny, ireo Vavolombelona any amin’ny Repoblika Dominikana dia nanokatra trano heva koa tao amin’ny Tsenabem-pirenen’ny Boky, izay fisehoan-javatra lehibe any amin’io tany io. Nisy resaka tsara dia tsara nifanaovana teo, izay nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly maromaro.

Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona iray any Taïwan dia nanao fandaharana mba hitsidihan’ny rahalahy sy anabavy mahay, an’ireo hopitaly lehibe tao amin’ny faritaniny. Nisy anabavy roa nitsidika ny Sampan-draharaha Fanaovana Dializy. Ny zava-kendreny dia ny ho tsara fanahy tamin’ireo marary izay voatery niandry teo nandritra ny ora maro. Nisy vokatra tsara azo ve? Ho ohatra, rehefa nampiseho fahalianana ny lehilahy iray, dia nitondra ny vadiny ilay anabavy ary nampifankahalala azy io taminy. Natomboka ny fianarana ary tarihina isan-kerinandro any amin’ny hopitaly. Tsy ela dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona tsy tapaka ilay rangahy.

Ny Vavolombelona sasany any Aostralia dia manamboatra fonosan’entana kely hatolotra an’ireo mpikarakara fandevenana. Nisy ny bokikely Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao sy Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? tao anatin’izy ireny, ary koa taratasy mivalona sasany, izay tena nety tsara ho an’ireo nidonam-pahoriana. Noraisin’ny olona tsara izy ireny. Mbola mandeha mitsidika tsy tapaka any ireo rahalahy mba hanoloana izay bokikely sy taratasy mivalona lany.

Any amin’ny tany maro, dia mitombo izaitsizy ny mpigadra an-tranomaizina. Any amin’izay hetezan’izany, dia mitory amin’izy ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony ho 15 taona lasa izay, ny Vavolombelona tao São Paulo, any Brezila, dia nanomboka nitsidika tranomaizina iray nisy trano iray nitanana voafonja 6 000 teo ho eo. Fampianarana Baiboly 45 no tarihina tsy tapaka ao. Voafonja sivy izao no mpitory ilay Fanjakana, ka izy rehetra dia nianatra ny fahamarinana tao an-tranomaizina. Rehefa vita batisa izy ireo, dia mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Ny sasany amin’ireo voafonja dia mitarika fampianarana Baiboly isan-kerinandro amin’ny fianakaviany, ary ny iray dia mitarika kilasy fampianarana mamaky teny sy manoratra amin’ny voafonja 30 hafa eo ho eo. Ho vokany, dia midera ny asa atao eo amin’ireo mpigadra ny manam-pahefana ao amin’ilay tranomaizina.

Tany Afrika Atsimo, dia nisy Vavolombelona roa nitsidika mpitsara sy mpisolovava ary mpitan-tsoratra tany amin’ny fitsarana. Tao izy ireo dia nahita mpanoratra fanambadiana, izay nanontany hoe: “Nahoana ianareo no tsy tonga taloha kokoa?” Efa nanoratra fanambadiana maherin’ny 20 mantsy, hono, izy tamin’iny maraina iny. Nandray ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana izy sy ny mpivady telo izay niandry tao amin’ny biraony. Izao ireo rahalahy dia mandeha any intelo isan-kerinandro, ary manao lahateny dimy minitra amin’ny olona eo amin’ny 60 ka hatramin’ny 100 eo ho eo. Manazava ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fanambadiana izy ireo ary milaza fa isaky ny zoma, ao amin’io fitsarana io ihany, dia fanambadiana maherin’ny 100 no faranan’ny fisaraham-panambadiana. Avy eo izy ireo dia manolotra ny boky Fahasambaram-pianakaviana mba hanampiana an’ireo mpivady ireo hanana fanambadiana vanona.

Teny an-dalana hanatrika fivoriambe manokana iray andro, ny iray tamin’ny mpianakavin’ny Betelan’i Philippines dia nanao dia lavitra tamin’ny aotobisy. Mba hampanariana dia an’ireo mpandeha, dia matetika ireo mpamily aotobisy no mandefa cassette vidéo misy sarimihetsika. Tamin’io indray mandeha io anefa, ilay rahalahintsika dia nangataka ny hampandefa vidéo iray nentiny. Nanaiky ilay mpamily. Ho vokany, dia mpandeha 70 no nijery Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Eny tokoa, misy fomba maro hampandrenesana ny vaovao tsara ny olona.

Ny fifaliana entin’ny fitoriana any amin’ny “faritany tsy voakasika”

Toy ny apostoly Paoly, izay faly nitory tany amin’ny faritra mbola tsy nitoriana taloha, ny sasany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia manao izay hahafahany hiasa any amin’ny “faritany tsy voakasika” sy faritra mbola tsy nanaovana fitoriana tsy tapaka. — Rom. 15:23, NW.

Misy faritra ambanivohitra midadasika any Moldavia, any Eoropa Atsinanana, izay tena faritany mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara mihitsy. Kanefa, rehefa omena fiheverana ny sasany aminy, dia tena mamokatra. Ny kongregasiona iray any Tighina dia niasa tao amin’ny tanàna kely roa tany amin’ny faritany toy izany, tamin’ny Janoary 1997. Vetivety dia nisy fampianarana natomboka, ary tamin’ny fivoriamben’ny distrika nanaraka, dia nisy olona 13 avy tamin’ireo tanàna kely ireo natao batisa. Antom-pifaliana re izany!

Ny anabavy mpisava lalana iray ao Lima, any Peroa, dia naniry hanitatra ny fanompoany, tamin’ny fitoriana tany amin’ny faritra nitokana iray. Nandeha aotobisy nandritra ny 15 ora izy mba ho any amin’ilay tanàna niaviany, any amin’ny faritanin’i Andamarca. Tsy nisy Vavolombelona teo amin’ireo mponina 7 000 tao. Talanjona izy, satria vetivety dia nahita asa. Tonga hiaraka taminy ilay mpisava lalana namany. Gaga izy ireo nahita fa mora ny nitory tamin’ireo dokotera, injeniera, mpanao mari-trano ary mpiasa matihanina hafa tao. Tena avy amin’ny fo ny hanoanana ara-panahin’ny sasany. Tao anatin’ny roa volana monja, dia efa natao tsy tapaka ny telo tamin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ka 15 no nanatrika. Tamin’ny Fahatsiarovana, dia 66 no nanatrika.

Ny mpivady mpisava lalana iray manompo any amin’izay ilana fanampiana be dia be any Guyana dia nahita vokatra faran’izay tsara, na dia talohan’ny nahatongavany tany amin’ny faritaniny aza. Teo amin’ny fijanonana iray tamin’ny alina, dia nitory tamin’ny mponina sasany teo an-toerana izy ireo. Ny ampitso, talohan’ny nanohizany ny diany, dia nanatona ny lay natoriany ny ankizivavy kely iray ary nilaza fa naniry hiresaka taminy ny reniny. Gaga be izy ireo nahita vehivavy iray izay namaky ny bokin’ny Fikambanana efa hatramin’ny 14 taona! Ny rahavaviny tany Etazonia no nandefa azy ireo ho azy. Nahery aoka izany ny vokatr’izy ireo teo amin’ny fiainan’ilay fianakaviana, hany ka niala tamin’ny Eglizy Katolika izy, ary niaritra ny fanilihan’ny mpiara-monina mihitsy aza noho izany! Ny alahady nanaraka, dia nisy fivoriana nalamina. Olona 47 no nanatrika, ka anisan’izany ny 23 avy tamin’ny fianakavian’ilay vehivavy. Tatỳ aoriana dia natao ny fandaharana mba hankalazana ny Fahatsiarovana tao, ka 66 no nanatrika. Tondraka tokoa ny fitahiana azon’ireo izay manoina ilay antso ‘hankany Makedonia mba hanampy’! — Asa. 16:9, NW.

“Midera ny anaran’i Jehovah” ny tanora

Mampahery ny mahita tanora maro eo anivon’ireo izay manompo an’i Jehovah amin-jotom-po. Manao izao fanasana izao ny Salamo 148:7-13: “Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany, (...) na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, — samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” Olona an’arivony maro no manoina io fanasana feno hatsaram-panahy io. Manararaotra ny fahafahana hanao fanambarana tsara amin’ny alalan’ny teny sy ny fitondran-tena kristiana izy ireo.

Ny fandinihana natao momba ireo mpitory 50 000 any Ghana dia nampiseho fa ny 12 isan-jaton’izy ireo dia eo anelanelan’ny 6 sy 20 taona. Nilaza ny biraon’ny sampan’i Arzantina fa ny antsasak’ireo 3 441 natao batisa tamin’ireo fivoriamben’ny distrika farany dia tanora, 12 taona no ho miakatra. Ny ankamaroan’ireo tanora ireo dia mbola mankany an-tsekoly. Afaka miasa faritany iray tsy manam-paharoa izay tsy tratran’ny hafa mora foana, izy ireo. Ary matetika no ahitam-bokatra io faritany io.

I Daniel, mpitory tsy vita batisa enin-taona any Ghana, dia mitarika fampianarana Baiboly folo, ka mpiara-mianatra aminy ny ankamaroan’izy ireo. Ny iray aminy, izay 19 taona, dia nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny Martsa teo. Rehefa nilaza zavatra diso iray momba ny niandohan’ny fiainan’ny biby ny mpampianatra an’i Daniel tao an-dakilasy, dia nanararaotra ilay fahafahana i Daniel. Nandritra ny fakan-drivotra, dia nanatona an’ilay mpampianatra izy ary nilaza taminy tamim-pahalalam-pomba fa nanana zavatra vita an-tsoratra iray izay hanazava bebe kokoa momba izay vao avy nodinihin’izy ireo. Rehefa avy namaky bokikely iray ilay mpampianatra, dia nanoratra taratasy fohy ho an’ny rain’i Daniel. Mandroso eo amin’ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ankehitriny io mpampianatra io.

Na dia ireo mbola tsy mankany an-tsekoly ary efa ampianarin’ny ray aman-dreniny izay matahotra an’Andriamanitra aza, dia afaka mandray anjara amin’ny fitoriana ka mahita vokatra. Any Rosia, rehefa mitaingina lamasinina ambanin’ny tany ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy dimy taona, dia ilay zaza matetika no manomboka ny resaka. Raha misy olona mipetraka eo akaikin’izy ireo, dia manontany azy izy hoe: “Aza fady, Tompoko, fantatrao ve fa Jehovah no anaran’Andriamanitra?” Mazàna no “Tsia” ny valiny. Avy eo, dia mitodika any amin-dreniny ilay ankizivavy kely ka manontany hoe: “Hazavao aminy, ange, Neny, aza fady e.”

Eo amin’ireo tanorantsika, dia misy Vavolombelona tena be herim-po sy zotom-po. Any Islandy, i Bjarki, izay folo taona izao, dia efa nitory matetika tamin’ireo mpiara-mianatra aminy. Vao haingana izay, dia nanizingizina izy ireo hoe tsy Kristiana i Bjarki, satria hoe Jehovah no ninoany, fa tsy Andriamanitra, araka ny filazan’izy ireo. Rehefa niezaka hanazava izy, dia tsy nety nino azy izy ireo. Rehefa nandeha nody avy nianatra izy ireo, dia nangataka ny iray tamin’ireo iray kilasy taminy mba hiaraka aminy ho any aminy i Bjarki, satria nisy zavatra tiany haseho azy. Tany i Bjarki dia nanokatra ny Baiboliny ho ao amin’ny Genesisy 2:5, izay ahitana ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny fanamarihana ambany pejy, ao amin’ny Baiboly islandey. Nampiasa ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny teny anglisy koa izy, mba hampiekena ilay namany fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Avy eo, dia hoy i Bjarki: “Ialahy mihitsy izao no nahita fa araka ny Baiboly, dia Jehovah no anaran’Andriamanitra, koa rehefa milaza ry zalahy any am-pianarana fa tsy anaran’Andriamanitra ny hoe Jehovah, dia afaka milaza aminy ialahy fa tsy marina izany, satria ialahy mihitsy no nahita azy tao amin’ny Baiboly.” Koa tsy nampianatra ny fahamarinana tamin’ilay namany fotsiny àry i Bjarki, fa nanome azy toromarika momba ny fomba fitory koa.

Indraindray, dia azo natao ny nitory tamim-pahaiza-mandanjalanja tao an-dakilasy mihitsy. Ny rahalahy tanora iray tany Liban dia nanao tatitra momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo iray kilasy taminy. Nampidiriny tamin’ilay izy ny fandefasana ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Rehefa nangatahina hanoratra famoronan-dahatsoratra momba izay nataony nandritra ny vakansin’ny “Paka” ny mpitory tanora iray tany Portogaly, dia nampiditra tao ny fanatrehany ny Fahatsiarovana. Ho vokatr’ilay fahalianana novelomin’izany, tsy ela ilay mpampianatra azy dia nanaiky hianatra Baiboly, ary efa mpitory tsy vita batisa ankehitriny.

Ny zotom-pon’ny tanora maro dia nanosika azy ireo hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy — ny sasany ho mpisava lalana maharitra. Iray amin’izany i Marie Rose, any Rwanda. Sady mbola mankany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy, no miasa mafy mba hanampiana ny reniny efa zokiolona, nefa mpisava lalana maharitra koa, ary mitarika fampianarana Baiboly 15. Any Cameroun, i Glory dia mpisava lalana mpanampy fony izy mbola nankany an-tsekoly, na dia tsy nisy Vavolombelona aza ny mpianakaviny akaiky. Izao izy dia mpisava lalana maharitra, ary tonga Vavolombelona vita batisa ny telo tamin’ireo mpianakaviny. Hoy i Glory: “Ny fanaovako ny asan’ny mpisava lalana fony aho mbola nianatra, no fomba tsara indrindra niarovako tena tamin’ny zava-mahadomelina sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny herisetra izay manenika ny sekoly maro amin’izao andro izao.”

Sekoly iray ho an’ireo izay mifidy ny asan’ny mpisava lalana

Misy fianarana fampiofanana manokana iray natao ho an’ireo mpisava lalana maharitra izay nanao io fanompoana io hatramin’ny herintaona fara fahakeliny. Tamin’ny Novambra 1977, dia nalefa ireo fanasana voalohany hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana tany Etazonia. Nandritra ireo 20 taona farany, dia mpisava lalana maherin’ny 195 000 tany Etazonia fotsiny no efa nandray soa avy tamin’io sekoly io. Tafiditra ao amin’io ireo mpianatra 10 345 nanatrika nandritra iny taom-panompoana farany iny. Ana hetsiny maneran-tany no efa nahazo io fampiofanana io.

Inona no zava-kendren’ilay sekoly? Ilay fianarana dia natao mba hanampiana an’ireo mpisava lalana 1) hiara-mandeha amin’i Jehovah, ho fanahafana an’i Jesosy Kristy, sy 2) hampitombo fitiavana bebe kokoa ny fianakavian’ny mpirahalahy manontolo, ary 3) hanatsara ny fahaizany mitory sy mampianatra, mba ‘ho fanazavana mamirapiratra kokoa eo amin’izao tontolo izao’. — Fil. 2:15.

Nilaza ny mpampianatra roa fa, ankoatra ilay fampiofanana azo ampiharina ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ilay fianarana dia nanampy an’ireo mpianatra “hahay hampifandanja zavatra eo am-panaovana ny asan’ny mpisava lalana, ka tsy hamela ireo zavatr’itỳ fandehan-javatra itỳ hahatonga azy ireo tsy hifantoka”. Ho vokany, dia nisy hafa koa nampiana mba hikatsaka ny fanompoana manontolo andro, izay asa mahafa-po.

Tao anatin’ireo valo taona farany, rehefa nofoanana ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa Atsinanana sy Afrika, dia nisy fandaharana natao haingana mba hahafahan’ny mpisava lalana any handray soa avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Hoy ny tatitra avy tany Slovenia: “Hita ny vokatra tsaran’ilay sekoly, satria mihatsara sady mahita vokatra kokoa ireo mpisava lalana tsirairay.” Matetika ny hafanam-pon’ireo izay nanatrika ilay sekoly no manosika ny hafa ho mpisava lalana. Izany no izy tany Hongria, izay ahitana kongregasiona iray nahazo 21 fanampiny, rehefa avy nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ny sasany tamin’ireo mpisava lalana 5 voalohany.

Tena be dia be tokoa ny vokatra. Ilaina ny mpanompo an-tsitrapo sy voaofana tsara eny amin’ny saha. Tsy isalasalana fa hanohy hanampy ho amin’izany ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana.

Feno folo taona ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

Folo taona teo ho eo taorian’ny nanombohan’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, dia natomboka ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tamin’ny 1 Oktobra 1987, tany Pittsburgh, any Pennsylvania, any Etazonia. Ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo nomena io fampianarana io dia azo asaina mba hanompo any amin’izay saha eto an-tany ilana fanampiana. Folo taona lasa izay, dia nisy kongregasiona 54 911 naneran-tany; 85 256 izy ireo ankehitriny. Tena ilaina ny lehilahy mahay mba hiandry sy hampianatra ary hitari-dalana eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana dia manomana lehilahy nanokan-tena mba hanome izany zavatra ilaina izany. — 2 Tim. 2:2.

Hatramin’ny nanombohany, dia 3 698 no efa nanatrika io sekoly io tany Amerika Avaratra sy Atsimo, 1 208 tany Afrika, 1 804 tany Azia sy ireo nosin’i Pasifika ary 2 295 tany Eoropa. Ireo nahazo diplaoman’io sekoly io dia manompo any amin’ny tany 126 samy hafa ankehitriny.

Be dia be amin’ireo nahazo diplaoma ireo no mahay fiteny maro. Azo ampiasaina avy hatrany izany fahaizana izany, na eo amin’ny taniny ihany, izay ahitana olona avy amin’ny firenena maro, na any an-tany hafa. Ny hafa kosa nianatra ny fitenin’ireo tany nandefasana azy.

An-jatony maro amin’ireo nahazo diplaoma no mpisava lalana manokana, ka manampy any amin’ny faritany mitokana. Ireo kongregasiona mila loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana dia nandray soa avy amin’ny fanampian’izy ireo. Ny sasany dia notendrena hanao ny asan’ny fizaran-tany. Ny tatitra avy any Nizeria, ohatra, dia milaza fa 50 amin’ireo nahazo diplaoma no manao ny asan’ny mpitety faritany any amin’io tany io. Mitovy isa amin’izany koa ireo izay manao io fanompoana io any Meksika, izay ahitana kongregasiona vaovao maro vao niforona. Any Philippines, dia 37 amin’ireo nahazo diplaoma no manao ny asan’ny fizaran-tany, ary 111 no mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana. Ny sasany amin’ireo nahazo diplaoma ka manana fahaizana teknika dia notendrena hanampy any amin’ny biraon’ny sampana ilana izany.

Fandaharana tsara dia tsara ilay sekoly, raha ny amin’ny fanomezana fampiofanana sarobidy ho an’ireo rahalahy izay manolo-tena an-tsitrapo mba hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (Sal. 110:3). Noho izy ireo nanankinana andraikitra lehibe kokoa, dia be kokoa no angatahina aminy, kanefa dia maro koa ny fitahiana azony. — Lioka 12:48b.

‘Mifalia eo anatrehan’i Jehovah’

Teo amin’ny Isiraely fahiny, ny mpanompon’i Jehovah dia niara-nivory tsy tapaka mba hanao fankalazana tamin’ny vanin-taona voafaritra tsara. Ireo izay nandeha hankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo natao isan-taona dia nodidiana toy izao: “Mifalia hafitoana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.” (Lev. 23:40). Toy izany koa amin’izao androntsika izao, ireo fivoriamben’ny distrika atao isan-taona dia fotoam-pifaliana manokana eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Teo am-piandohan’ny taom-panompoana dia mbola nisy Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” natao tany amin’ny tany sasany.

Tena nety io loha hevitra io ho an’ny fivoriambe iray tany Liberia rotidrotiky ny ady! Herinandro maro mialoha, dia efa hita ireo rahalahintsika, faly nanao ny insigne-ny hoe “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, teny amin’ireo tanàna kely sy lehibe. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanana ny zo rehetra hanao karatra famantarana toy izany. Fantatry ny vahoaka liberiana fa nandritra ireo taona maro nisian’ny ady, dia ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tena iraka nilaza fiadanana araka an’Andriamanitra. Olona an’arivony maro ao amin’ny fivavahana hafa no niditra tao amin’ireo ankolafiny nitam-piadiana ary nirongo fitaovam-piadiana, fa ny vahoakan’i Jehovah kosa dia hita hatraiza hatraiza, nitondra Baiboly teny an-tanany, nizara hafatra momba ny fiadanana araka an’Andriamanitra tamin’ireo Liberiana efa leon’ady.

Teo antenatenan’ny 1997, dia nanomboka ny fivoriamben’ny distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”. Maro no naneho fankasitrahana lalina noho ilay fampisehoana tantara hoe “Hazòny ho Tsotra ny Masonao”. Ny hafa kosa nifantoka tamin’ilay lahateny ara-potoana tsara hoe “Zahan-toetra ny Finoanareo Ankehitriny”. Ilay bokikely vaovao — Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra — dia efa natonta tamin’ny fiteny 58 sahady. Tany Polonina, ny tena nisongadina tamin’ilay fivoriambe dia ny fiaraha-namoaka ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo tamin’ny teny poloney tany Varsovia sy Wrocław, teo anoloan’ny mpanatrika feno hafanam-po. Tany Gresy, raha vao takatr’ireo mpanatrika fa vita pirinty ka havoaka Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo tamin’ny teny grika, dia tsy niandry ny hahavitan’ilay fampandrenesana akory izy ireo, fa nitsangana tampoka ka nitehaka ela be, no sady latsa-dranomasom-pifaliana sy fankasitrahana.

Ho fanampin’ireo fivoriamben’ny distrika, dia nisy fivoriambe niavaka hafa koa tany amin’ny toerana maro samihafa. Ny iray tamin’izany dia ny fitokanana ny biraon’ny sampana vaovao, sy ny Efitrano Fivoriambe iray mahazaka olona 3 000, ary ny Efitrano Fanjakana iray, tany amin’ny Repoblika Dominikana, tamin’ny Novambra 1996. Anisan’ireo nanatrika dia nisy maro izay niaina ilay fanenjehana nivaivay naharitra folo taona tamin’ny andron’i Trujillo, ilay mpitondra tsy refesi-mandidy. Nitantara i Juanita Brandt, misionera taloha, fa nijanona tany ihany ireo misionera, nitory tamim-pahamalinana, nanao asa tsy ara-pivavahana, ary nampahery an’ireo Vavolombelona teo an-toerana, izay nampidirina am-ponja sy nampijalijalina ny maro taminy. Fony nianatra ny fahamarinana i Luis Montás, havan’i Trujillo, ilay mpitondra tsy refesi-mandidy, dia mpitam-bolan’ilay antoko politika izy. Natao haza lambo izy, nampidirina an-tranomaizina ary efa nila ho faty imbetsaka. Teo amin’ny faha-91 taonany anefa, dia teo izy tamin’ny fitokanana ny biraon’ny sampana ary faly fa anisan’ireo 35 678 nanatrika ilay fivoriambem-pirenena taorian’io.

Ny fivoriana niavaka iray hafa dia natao tamin’ny Martsa 1997, ho fitokanana ireo tranon’ny sampana vao nitarina tany Brezila. Tamin’ilay fandaharana, dia Vavolombelona avy tany amin’ireo fanjakan’i Brezila 26 rehetra no nanatrika. Ambonin’izany, dia nisy solontena avy tany amin’ny tany 24 hafa, sy misionera avy tamin’ny kilasy 43 samy hafa tamin’ny Sekolin’i Gileada ary efa nanompo tao Brezila. Tena fankalazana nahafaly ilay izy! Tamin’ny fivoriana manokana natao ny ampitso, i Milton Henschel, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, dia nandaha-teny tao amin’ny Kianjan’i Maracanã, ao Rio de Janeiro, ary nisy vahoaka maro hafa koa nahare ilay fandaharana tany amin’ny tanàn-dehibe efatra hafa. Nihoatra ny 200 000 ny tontalin’isan’ny mpanatrika. Ny loha hevitra nanafana ny fo novelabelariny tamin’ny alalan’ny Mpitoriteny 12, dia hoe “Tia ny Tanora i Jehovah”. Nampirisika ny tanora izy hoe: ‘Manompoa an’i Jehovah amin’ny fomba feno, mandraisa anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, alohan’ny hahatongavan’ny andro mahory.’

Tatỳ aoriana kokoa tamin’io volana io ihany, dia nisy fivoriambe iray tany Arzantina, nifandray tamin’ny fitokanana ny Efitrano Fivoriamben’ny Distrika vaovao, antsika manokana, izay mahazaka olona 9 400, ao Cañuelas. Io toerana io dia hanaovana fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany ho an’ireo izay monina ao amin’ny renivohitr’i Arzantina sy eny akaikiny. Ankoatra ny zavatra hafa, ilay fandaharam-pitokanana dia nisy fitantarana nambabo ny saina momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Arzantina. Nitohy foana ny fitomboana teokratika tany, na dia teo aza ny fandrarana sy ny fameperana hafa nandritra ny 33 taona. Ny ampitson’ilay fandaharam-pitokanana, dia nisy fivoriana natao tao amin’ny Kianja River Plate malalaka, ao amin’ny tanànan’i Buenos Aires. Feno hipoka ilay kianja, ary nameno ilay kianja filalaovana mihitsy ireo rahalahy. Maherin’ny 71 800 ny tontalin’isan’ny mpanatrika. Nanao dia lavitra ny sasany taminy. Nisy aotobisy iray feno olona tonga avy tany Patagonia, tany amin’ny 3 100 kilaometatra avy teo. Tamin’ny fitambarany, dia aotobisy 1 200 no tonga tao amin’ny Kianja River Plate, avy tany amin’ny toerana maro samihafa tamin’ilay tany.

I Carey Barber, izay 91 taona tamin’izay, ary mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, no nanao lahateny tamin’ireo fisehoan-javatra ireo. Tamin’ilay fitokanana izy dia nampirisika mafy ny hamakiana tsy tapaka ny Baiboly, tamin’ny hoe: “Ry rahalahy sy anabavy, moa ve isika rehetra samy mamaky ny Baiboly isan’andro? Be dia be no milaza tena ho sahirana loatra ka tsy afaka mamaky ny Baiboly isan’andro, nefa toa manam-potoana hankafizana sakafo fy intelo isan’andro izy ireo, ary dia hita miharihary izany, sa tsy izany? Raha mamaky ny Baiboly isan’andro ireny olona ireny, dia ho hita miharihary koa izany, sa ahoana?” Ny ampitso, tao amin’ilay kianja, dia niresaka momba ny hoe “Ny Fomba Hanoherana ny Toe-tsain’itỳ Tontolo Itỳ” izy. Voatery naato imbetsaka ilay lahateny, noho ny tehak’ireo mpanatrika feno hafanam-po sy nihaino tsara. Rehefa nampirisika ny rehetra tsy hitsahatra handroso teo amin’ny fanaovana izay tsara sy mahitsy izy, dia nampiseho koa fa mila ny fanampian’i Jehovah, izany hoe ny fanahiny, isika, mba hahavitana izany. Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny “fialana amin’ny teny vetaveta sy ny fitondran-tena maloton’izao tontolo izao” ny Rahalahy Barber. Avy eo izy dia nampirisika hoe: “Mahità fifaliana sy fahasambarana eo amin’ny fanompoana sy ny fampifaliana an’i Jehovah ary ny fanolorana fanompoam-pivavahana aminy.” Tena nanohina mafy ny mpanatrika iny fandaharana manokana iny.

‘Henjano ireo kofehin-day’

Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nahatalanjona ny fitomboan’ny isan’ny olona maneran-tany niakatra ho any amin’ny trano lehibe ara-panahin’i Jehovah, mba hianatra ny amin’ny lalany sy handeha amin’ny atorony. (Isaia 2:2-4). Tato anatin’ireo dimy taona farany, dia 1 593 995 no nanaiky hatao batisa anaty rano ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. Ilaina ny Efitrano Fanjakana, hahafahan’izy ireny hivory mba hianatra sy hanolotra fanompoam-pivavahana. Ilaina ny Efitrano Fivoriambe, mba hanaovana fivoriambe manokana iray andro sy fivoriamben’ny fizaran-tany ary fivoriamben’ny distrika. Ilaina ny biraon’ny sampana sy ny fanontam-pirinty, mba hisian’ny toerana ho an’ny fandikana ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny eo an-toerana, sy ho an’ny fanontam-pirinty, ary mba hahafahana handrindra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hananan’ny rehetra fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Teny mety àry ilay fanambarana ara-paminaniana hoe: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, (...) aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao”. — Isaia 54:2.

Ahoana no ahazoana ireo toerana ireo? Noho ny fitahian’i Jehovah ireo ezaka ataon’ny Vavolombelony amim-piraisan-tsaina. Any amin’izay hetezan’izany, dia ny Vavolombelona eo an-toerana no manao ilay asa fanorenana sy misahana ny fandaniana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Any amin’izay ilana azy kosa — ary izany matetika no izy — dia ny Vavolombelona avy any amin’ny faritra hafa amin’ilay tany, na ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, no manome ny fanampiana. Indraindray, dia mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ny firenena dimy, folo na mahery no manampy mba hanorenana tranon’ny sampana lehibe.

Anisan’ireo tetik’asa vita sy notokanana nandritra ny taom-panompoana farany, dia nisy Efitrano Fanjakana maro be, sy Efitrano Fivoriambe sasany, ary tranon’ny sampana sasantsasany. Raha ny amin’ireto farany, dia teo ny fanorenana tranon’ny sampana vaovao tanteraka tany Guyane, Jamaika, Madagasikara, Maorisy, Repoblika Dominikana, Rosia, ary Sierra Leone, sy ny fanitarana ny tranon’ny sampana tany Aostralia sy Arzantina ary Brezila. Fa inona no nitranga tany amin’ireo tany ireo, ka nilana an’ireo trano ireo?

AOSTRALIA: Hatramin’ny nifindran’ny biraon’ny sampana ho eo ivelan’i Sydney misy azy ankehitriny, dia nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny Vavolombelona any, ka nahatratra 60 946. Nisy sampan-draharaha vaovao nanampy: Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika, Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, ary hafa koa. Ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana ankehitriny dia trano fanatobiana zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tany maro any Pasifika. Mba hanomezana izay ilaina, dia trano telo — birao sy asa fanampiana ary fonenana — no nanampy an’ireo fitambaran-tranon’ny sampan’i Aostralia.

ARZANTINA: Hatramin’ny nanafoanana ny fandraran’ny fitondram-panjakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Arzantina, tamin’ny 1980, dia nisy “fidangan’ny” isan’ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ilay tany. Tamin’ny 1981, dia nisy Vavolombelona narisika 38 869 — Vavolombelona 1 isaky ny mponina 717. Ankehitriny dia 116 151 ny mpitory, izany hoe Vavolombelona 1 isaky ny olona 281. Tena nilaina ny nanitatra ireo toeran’ny orinasa imbetsaka. Vao haingana izay, dia nisy trano roa hafa novidina sy nohavaozina, ary nohalehibeazina ireo toeram-ponenana. Ireo rehetra ireo dia nanampy an’ilay fitambaran-tranon’ny sampana izay efa lehibe.

BREZILA: Hatramin’ny nitokanana ireo tranon’ny sampana ao Cesário Lange tamin’ny 1981, dia efa nitombo avo telo heny ny haben’ireo trano ireo. Fa nahoana? Olona maherin’ny 338 600 no nanatevin-daharana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brezila. Nanokana ora maherin’ny 80 300 000 teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo tamin’iny taon-dasa iny, sy nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an-tapitrisany maro, ary nitarika fampianarana Baiboly 443 028 tamin’ny antsalany. Ny asan’ireo kongregasiona 6 960 sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany 340 dia arindran’ny biraon’ny sampana.

GUYANE: Nisy fotoana nanaovan’ny Vavolombelona avy tany Goadelopy sy Martinika ny ankabeazan’ny asa tao. Tamin’ny 1990, dia nisy mpitory 660 namerina tatitra ary dia nosokafana ny biraon’ny sampana — ka inona no vokatra azo? Tao anatin’ny dimy taona, dia nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory. Miroborobo be ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’io tany io, izay rakotry ny alan’i Amazonia ny ankabeazany. Misy Vavolombelona 1 isaky ny mponina 100 any ankehitriny. Ireo fampianarana Baiboly 2 167 tarihin’ireo mpitory 1 468 sy ireo 5 506 nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1997, dia manondro fa hisy fitomboana hafa koa.

JAMAIKA: Notorina voalohany tany Jamaika tamin’ny 1897 ny vaovao tsara, hany ka ny fitokanana ireo tranon’ny sampana vaovao tsara tarehy tamin’ny 1997 dia nifanitsy tamin’ny fahazato taonan’ny fanaovana fanambarana any amin’io tany io. Anisan’ireo fitambaran-trano vaovao ireo ny trano vaovao iray ho an’ny birao sy ny asa fanampiana ho an’ny sampana, ny Trano Betela iray, ny Efitrano Fivoriambe iray ary ny Efitrano Fanjakana iray. Ireo toerana ireo dia tsy isalasalana fa hanana anjara lehibe eo amin’ny fitarana teokratika hafa koa ao amin’io tany io.

MADAGASIKARA: Be dia be ny asa vita tany Madagasikara, hatramin’ny nitsidihan’ny mpanompon’i Jehovah tany voalohany, tamin’ny 1925. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nihafaingana be ny fandehan’ny asa. Tamin’ny Martsa 1997, dia mpitory 8 404 no nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha sy nitarika fampianarana Baiboly 22 321, ary 45 300 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Ilay fitambaran-tranon’ny sampana vaovao dia hanampy mba hikarakarana ny zavatra ilain’io vahoaka mpivavaka amin’i Jehovah mihamitombo io.

MAORISY: Biraon’ny sampana vaovao tsara tarehy iray sy Efitrano Fivoriambe iray tsy misy rindrina no naorina tao amin’io nosy ao amin’ny Oseana Indiana io. Fa nahoana? Satria ao amin’ireo nosy iandraiketan’io sampana io, ny olona dia manoina ilay antso maninton’ny Baiboly mba hiara-midera an’i Jehovah. (Isaia 42:10). Tao anatin’ireo valo taona farany, dia nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny Vavolombelona ao amin’io faritany io.

REPOBLIKA DOMINIKANA: Saha mamokatra io tany io. Ireo mpitory ilay Fanjakana 21 007 any amin’ny Repoblika Dominikana dia mitarika fampianarana Baiboly 35 362. Tena nilaina maika ireo tranon’ny sampana vaovao mba hikarakarana ny asa any.

SIERRA LEONE: Ny ady an-trano sy ny tabataba ara-politika nitohy tany amin’io tany io dia nahatonga olona maro haniry ilay filaminana izay ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra azy. Tao anatin’ireo toe-javatra ireo, ny fanorenana ilay biraon’ny sampana vaovao dia fanaovana fanambarana tsara dia tsara. Nisy mpiasan’ny fanorenana avy tany amin’ny tany maro samihafa nanolotra ny fanampiany an-tsitrapo sy maimaim-poana — zavatra izay tsy ninoan’ny olona tamin’ny voalohany. Ary nanjary “votoatin-dresaky ny iray tanàna” ireo vahiny fotsy hoditra niara-nanao asa ara-batana tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Hita niharihary fa nianatra ny hiaina sy hiasa tamim-pihavanana sy tao anatin’ny tena firahalahiana ny Vavolombelon’i Jehovah.

ROSIA: Ny fitokanana ireo tranon’ny sampana vaovao tany Rosia dia nisarika manokana ny sain’ny olona naneran-tany. Fizotran-javatra teokratika niavaka no niseho tany amin’io tapany amin’ny tany io. Olona avy tamin’ny tany 42 no nanatrika ilay fandaharana tamin’ny 21 Jona 1997.

Nisy Vavolombelona 10 000 nanerana ny Firaisana Sovietika manontolo tamin’ny 1972. Tamin’ny 1991, rehefa nekena ho ara-dalàna tamin’ny farany ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, dia Vavolombelona 49 171 no namerina tatitra tany amin’ireo repoblika 15-n’ilay Firaisana. Tamin’ny May 1997 dia Vavolombelona maherin’ny 215 000 no narisika tany amin’io faritra io, ary 600 000 teo ho eo no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny Martsa.

I Rosia sy ny sivy amin’ireo repoblika taloha ireo no iandraiketan’ny sampan’i Rosia. Mba handrindrana ny asan’izy ireo sy handikana zavatra vita an-tsoratra ho azy ireo, dia nisy tranon’ny sampana vaovao naorina, tokony ho 40 kilaometatra any avaratra-andrefan’i Saint-Pétersbourg, any akaikin’i Solnechnoye. Izany dia natao nifanaraka tamin’ilay fanoratana anarana ara-dalàna an’ilay Foibem-pitantanan’ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Federasionan’i Rosia. Anisan’io fitambaran-trano tsara tarehy io ny trano fonenana fito mahazaka olona 250 eo ho eo, ny Efitrano Fanjakana iray sy ny efitra fisakafoana iray izay samy mahazaka olona 500 avy, ary ny trano malalaka iray ho an’ny birao sy ny fitahirizana entana.

Tamin’ilay fandaharam-pitokanana, dia i Theodore Jaracz, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, no nanao ny lahateny lehibe indrindra hoe “Fanorenana ho An’ny Hoavy”. Nisy hafa koa nitantara fizotran-javatra ara-tantara nahaliana. Narantiranty teo amin’ny fidirana ny sary sy ny fanandraman-javatra manome porofo ny amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia nandritra ny 100 taona mahery. Fantatry ny mpitsidika tamin’izany fa tamin’ny 1892, noho ny fangatahan’ny lehiben’ny Fivavahana Ortodoksa tao Moscou, dia natao sesitany tany amin’ny faritra fantatra ankehitriny ho i Kazakhstan ny lehilahy iray nilaza tamin’ny hafa ny zavatra nianarany tamin’ny Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany). Novakin’izy ireo ny amin’ireo Rosiana an-jatony maro nianatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fony tany amin’ireo toby fitanana nazia tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Novakin’izy ireo koa ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro natao sesitany tany Siberia sy ny Farany Atsinanan’i Rosia tamin’ny 1951, nandritra ny fitondrana tsy refesi-mandidin’i Staline.

Anisan’ireo nanatrika ilay fitokanana ny maro tamin’ireo nalefa tany amin’ny tranomaizina sy ny toby fiasana an-tery vozona tany Siberia, nandritra ny taona maro, noho ny finoany. Azonao alaina sary an-tsaina ve ireo efa tranainy ireo, izay talanjona sady faly tsy nisy ohatra izany, teo am-pitsidihana ireo toerana tsara tarehy eo afovoan’io zaridaina fito hektara io? Nanganohano ny ranomason’ny maro, indrindra fa rehefa nahita an’ireo izay tsy hitany hatramin’ny naha-tany an-tranomaizina azy, ireo rahalahy. Toy inona moa ny fifaliana nanatrika teo, rehefa injay ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay tokotany nalalaka, nanomboka nihira avy hatrany tamin’ny feo efatra samy hafa, ireo hiran’ilay Fanjakana efa nohirain’izy ireo, fony tany an-tsesitany tany Siberia, am-polony taona maro talohan’io!

Mpiasan’ny fanorenana maro, avy tany amin’ny tany 20 teo ho eo, no niara-niasa nandritra ny efa-taona mahery, mba hanorenana ireo trano ireo. Ny sasany nandao ny fonenany ary nanao fiovana goavana teo amin’ny fiainany mba hanampiana ireo rahalahiny rosiana. Tena fisehoan-javatra nampihetsi-po ilay fitokanana ho azy ireo, izay niomana hifindra ho any amin’ny fanendrena teokratika hafa!

Amin’ny fitambarany, dia misy mpiasa an-tsitrapo 16 982 miasa tsy tapaka ao amin’ny foiben’ny Fikambanana sy any amin’ireo tranon’ny sampany maneran-tany. Noho ny toe-javatra anaovany ny fanompoany, ireo mpianakavin’ny Betela ireo dia samy ao anatin’ny Laharan’ireo Mpanompo Manontolo Andro Manokana.

‘Saha masaka hojinjana’

“Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy”, hoy i Jesosy. (Jaona 4:35). Ankehitriny izany dia marina kokoa noho ny hatramin’izay. Nanomboka tamin’ny 1919, nanombohana ny ezaka manokana ho fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany, dia “voa” be dia be no nafafy teo amin’ny saha maneran-tany. Zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an’arivo tapitrisany maro no voazara. Resaka an’alina tapitrisany maro no nifanaovana tamin’olona, momba ny fikasan’i Jehovah. Ny fomba fampahafantarana mety rehetra no nampiasaina mba hametrahana teo anoloan’ny olona ilay hafatra iankinan’ny aina hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Izao no fotoan’ny fijinjana.

Tany Meksika, Amerika Afovoany sy Atsimo, ary tany amin’ireo nosin’i Antilles, dia olona 590 760 no natao batisa tao anatin’ireo dimy taona farany. Ary tamin’iny taon-dasa iny, dia fampianarana Baiboly 1 858 462, tamin’ny antsalany, no notarihina tany amin’ireo faritra ireo, tamin’ny olon-kafa maniry hahafantatra sy hanompo an’i Jehovah.

Ny tatitra avy any Afrika sy ireo nosy eo akaikiny dia milaza fa, hatramin’ny 1993, dia olona 274 724 no tonga mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa. Tamin’ny Fahatsiarovana tany amin’ireo tany ireo, dia 2 863 594 no nanatrika. Tany Malawi, dia 125 000 mahery izy ireo. Tany Angola, 160 414. Tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (Zaïre taloha) rotidrotiky ny ady, 574 736. Tena mbola maro be amin’ireo olona ireo no hanaiky ny fanompoam-pivavahana marina.

Hatramin’ny nirodanan’ny Rindrin’i Berlin tamin’ny 1989, dia olona 309 589 no efa nianatra ny fahamarinana ka natao batisa tany amin’ireo tany tao anatin’ny vondrona Sovietika taloha. Ireo dia mampiseho fahavononana, tsy ny hampianarin’i Jehovah ihany, fa ny hanao ny sitrapony koa.

Atỳ Amerika Avaratra sy any Eoropa, izay nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny zato taona mahery, dia misy mponina maro be avy any an-tany hafa mahaforona saha mamokatra, raha ny amin’ny fanaovana mpianatra.

Eny tokoa, rehefa ho tonga ny andron’i Jehovah, “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. (Joela 3:5). Tena zava-dehibe àry ny hanampiantsika ny olona ankehitriny mba hahafantarany an’i Jehovah, sy hitokiany aminy, ary hampifanarahany ny fiainany amin’ireo fari-pitsipiny mahitsy! Raha manao ireo dingana ireo izy ireo, rehefa tonga tokoa ny andro lehibe sady mahatahotr’i Jehovah, dia mety ho anisan’ireo izay hojeren’i Jehovah amim-pankasitrahana izy ireo. — Zef. 2:3.

[Sary, pejy 4, 5]

Nanonona ny faminanian’i Joela ny apostoly Paoly ary nanamafy fa mahadodona ny fitoriana

[Sary, pejy 20]

Luis Montás, Vavolombelona efa hatramin’ny ela

[Sary, pejy 21]

Tao amin’ny Kianja River Plate, i Carey Barber dia nampirisika ireo mpanatrika 71 800 mahery hanohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao

[Sary, pejy 22]

Efitrano Fivoriamben’ny Distrika vaovao mahazaka olona 9 400 ao Cañuelas, any Arzantina

[Sary, pejy 27]

1) Rosia

2) Arzantina

3) Sierra Leone

4) Aostralia

[Sary, pejy 28]

5) Guyane

6) Brezila

7) Madagasikara

8) Repoblika Dominikana

[Sary, pejy 29]

9) Maorisy

10) Jamaika