Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alemaina

Alemaina

Alemaina

I ALEMAINA dia Ambohipihaonan’ny olona avy amin’ny firenena maro. Mpizaha tany 15 000 000 eo ho eo, amin’ny antsalany, no tonga eto isan-taona. Maro amin’izy ireny no manao vakansy any amin’ireo Tendrombohitra Alpes any Bavière, any amin’ny Forêt-Noire manamorona ny Ony Rhin kanto, na mitsidika ireo foibe ara-kolontsaina ao an-tanàna. Mety ho ny fandraharahana kosa no anton-dian’ny olon-kafa eto Alemaina. Iray amin’ireo firenena be fandraharahana indrindra eto amin’izao tontolo izao i Alemaina, ary manana masoivoho fandraharahana maneran-tany. Nandritra ny taona maro, dia nahasarika mpiasa maro dia maro avy any an-tany hafa ny firoboroboan’ny toe-karena teto, hany ka nampiova be ny nahaforona ireo mponina an-tanàn-dehibe izany. Nisy akony teo amin’ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina koa izany.

Nisy akony teo amin’ny fanompoan’izy ireo koa ny fisehoan-javatra nandritra ny Ady Lehibe Faharoa sy tamin’ny faran’io ady io. Teo ambany fitondrana jadon’i Adolf Hitler, dia niharan’ny fanafihana tsy nifaditrovana sy naharitra ela ireo Vavolombelona. Nahazo ny tsodranon’ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta i Hitler, ka nivoady ny hamongotra tanteraka ny Ernste Bibelforscher (ireo Mpianatra Baiboly Tso-po), araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany teto Alemaina. Tsy nampandefitra ny finoany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Niorina mafy izy ireo, na dia teo aza ny fanafihana tsy nisy antra.

Roa ambin’ny folo taona taorian’ny nandrarana ny asan’ny Vavolombelona teto Alemaina, dia nanjavona i Hitler sy ny antoko politikany. Nifanohitra tamin’izany kosa fa mbola teo ihany ny Vavolombelon’i Jehovah, revo tamin’ny filazana tamin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hevitr’izy io ho an’ny olombelona. Izay nodiavin’izy ireo nandritra ny fe-potoana nazia sy ny fomba niatrehan’izy ireo izany, dia mbola manome fototra hanaovana fanambarana — amin’izao tontolo izao mihitsy aza ankehitriny.

Ahoana no nahafahan’ny Vavolombelona nivoaka ho mpandresy? Tsy noho ny hakingan-tsainy akory. Azo antoka fa tsy noho ny hamaroany koa. Latsaka ny 20 000 izy ireo nanerana an’i Alemaina, teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Faharoa, fa natanjaka be kosa, tetsy an-kilany, ny fitondrana nazia. Ireo teny nolazain’i Gamaliela, mpampianatra hendry iray, fahiny ela be, voarakitra ao amin’ny Baiboly no manazava ny anton’izany. Hoy izy: “Raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana”. (Asa. 5:34-39). Tsy nivadika tamin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina, na dia norahonana ho faty aza, ary nitana ny teny nataony i Jehovah hoe “tsy hahafoy [ireo tsy mivadika aminy, NW ]”, izy. — Sal. 37:28.

Fanararaotana ireo fahafahana nisokatra taorian’ny ady

Hitan’ireo izay tafavoaka velona avy tamin’ireo taona naharetan’ny ady fa nisy asa mbola tokony hatao. Vao avy nodiaviny ireo fisehoan-javatra anisan’ny fahatanterahana mazavan’ny zavatra nambaran’i Jesosy Kristy mialoha, fa hanamarika ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Tao anatin’ny ady iray tamin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny tantara, izy ireo. Nodiaviny izany hoe natolotra ho amin’ny fahoriana, nisy namadika, nankahalain’ireo firenena, sy novonoina izany. Tao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo nambara mialoha izy ireo. Nilain’ny olona ny fanazavana ny hevitr’ireny fisehoan-javatra ireny. Na dia tany amin’ireo toby fitanana aza, dia tsy nitsahatra nitory mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatr’izy ireo anefa izay nambaran’i Jesosy mialoha hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. (Matio 24:3-14, NW ). Mbola misy asa betsaka kokoa tokony hatao, ary dodona hanohy ilay asa izy ireo.

Taorian’ilay ady avy hatrany, dia nandamina indray ny asa fitoriana ilay Fanjakana ny Vavolombelona teto Alemaina. Raha vantany vao afaka i Erich Frost, izay notanana sivy taona, dia nanao izay hisian’ny rahalahy matotra hitsidika sy handamina indray ary hanatanjaka ireo kôngregasiôna. Nalemin’ny hanoanana aoka izany ny Vavolombelona sasany, hany ka safotra nandritra ireo fivoriana. Tapa-kevitra ny hanatrika teo anefa izy ireo mba handray soa avy tamin’ny sakafo ara-panahy. Ny ampitson’ny nanafahana azy, dia nandeha an-tongotra indray andro maninjitra nankany Munich i Gertrud Poetzinger, satria nanantena ny hahita ny vadiny tany. Ny harivan’iny anefa, rehefa nisy olona tsara fanahy nanome sakafo sy filasiana ho azy, dia niari-tory mandra-pahadilan’ny misasakalina izy ka nanambara momba ny fikasan’i Jehovah tamin’ireo olona ireo. Nanomboka avy hatrany ny fanompoan’ny mpisava lalana i Konrad Franke, raha vantany vao nafahana, na dia tsy nanana afa-tsy ny akanjo nisy tsipitsipika nanaovany tany am-ponja aza izy tamin’ny voalohany.

Tamin’ny 1947, dia nisy 15 856 ny Vavolombelona teto Alemaina izay nandray anjara ampahibemaso indray tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, ka sahy nampahafantatra fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ny amin’ny hisian’ny fiadanana sy filaminana maharitra. Notahin’i Jehovah ny fanompoan’izy ireo tamin-jotom-po, ary tamin’ny May 1975, telopolo taona taorian’ny nifaranan’ny ady, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 100 351 narisika tatỳ Alemaina Andrefana.

Nandritra ireny taona ireny, dia tsy ny saha alemà ihany no nahazo fitoriana. Hitan’ireo Vavolombelona be zotom-po teto Alemaina fa nisy akony teo amin’ny olona avy tamin’ny firenena maro koa ny fanompoan’izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana?

Saha misionera eo an-tokonam-baravarany ihany

Nanomboka nandray Gastarbeiter, na “mpiasa vahiny”, avy any an-tany hafa i Alemaina, mba hikarakarana ny toe-karenany niroborobo, teo antenatenan’ireo taona 1950. Nisy maro be no tonga avy tany Espaina, Gresy, Iogoslavia tamin’izany fotoana izany, Italia, Portogaly, ary Torkia. Tamin’ny 1972, dia tafakatra ho mahery lavitra ny 2,1 tapitrisa ny isan’ny mpiasa vahiny.

Maro be ireo mpiasa vahiny tonga teto Alemaina, nanomboka tamin’ireo taona 1950 ka hatramin’ireo taona 1970. Taorian’izay, dia nisy mpitsoa-ponenana avy any Afrika sy Azia koa nirohotra nanketo, nandritra ireo taona 1980. Tamin’ireo taona 1990, dia nisy mpitsoa-ponenana avy tatsy Eoropa Atsinanana sy avy tamin’ireo firenena balkanika koa nanampy isa azy ireo. Nanome fahalalahana ireo lalàna tamin’izany fotoana izany, ka tonga fialokalofana politika i Alemaina. Vokatr’izany, dia nanjary manana teratany vahiny be indrindra eto Eoropa i Alemaina.

Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho faritany misionera tsara dia tsara, izay tonga teo an-tokonam-baravarany, izany. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, ary azo antoka fa mila ny fampiononana omen’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany ireo olona nesorina tany an-tanindrazany. Noho izany, dia nahatsiaro ho voatery mafy hitory ny vaovao tsara tamin’ireny olona ireny ny Vavolombelon’i Jehovah. (Asa. 10:34, 35; 2 Kor. 1:3, 4). Tsy asa mora anefa ny fitoriana tamin’ireo vahiny 7 500 000 tamin’ny fiteniny, teto Alemaina.

Vavolombelona alemà maro no nianatra fiteny vaovao, mba hahafahany hizara ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny fomba mandaitra kokoa amin’ireny olona avy any ivelany ireny. Izany ka porofo tsara dia tsara fa tena tia tokoa ny mpiara-belona aminy izy ireo, mifanaraka amin’izay nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy! (Matio 22:39). Tsy afaka ny ho misionera any ivelan’ny taniny ny ankamaroan’ireo Vavolombelona ireo. Na dia izany aza, dia dodona izy ireo hanararaotra araka izay azo atao ny fahafahana nivelatra teo anoloany teto amin’ity taniny ity ihany. Ohatra, tamin’ny Aogositra 1998, dia mpitory ny vaovao tsara maherin’ny 23 600 no tao amin’ny kôngregasiôna 371 miteny vahiny sy fitambara-mpitory 219. Mazava ho azy fa tsy natao mba hanavakavahana akory ireo kôngregasiôna miteny vahiny. Noforonina kosa izy ireny mba hanamorana kokoa ho an’ny olona tsy mahay tsara ny teny alemà, ny fianarana ny fahamarinana amin’ny fitenin-drazany. Mpitory maro no nanjary nahatakatra fa mety hanohina ny saina ny fiteny faharoa, fa matetika kosa ny fitenin-drazana no manohina ny fo.

Misy antokon’olona sasany sady tsy tia no ratsy fitondra ireo vahiny eto Alemaina. Eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah kosa anefa, dia raisina an-tanan-droa sy amim-pitiavana marina ireny vahiny ireny. Anisan’ireo fiteny 24 anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivoriany amin’izao fotoana izao ny fiteny albaney, amharique, arabo, hindi, hongroà, japoney, persanina, romanianina, sinoa, tamoul, tigrigna, ary vietnamianina, ankoatra ny fiteny alemà. Tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” tamin’ny 1993 teto Alemaina, dia efa ho ny 10 isan-jaton’ireo mpanatrika 194 751 no nanatrika ireo fivoriambe tamin’ny teny vahiny. Ary efa ho ny 14 isan-jaton’ny tontalin’ny natao batisa teto Alemaina no natao batisa tany amin’ireny fivoriambe ireny.

Anisan’ireo nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fianakaviana hindoa iray, izay nandao an’i Sri Lanka tamin’ny 1983 noho ny ady tany, ary nanantena ny hahazo fitsaboana ho an’ny zanany lahy enin-taona. Nampalahelo fa maty ilay ankizilahy kely. Ilay fianakaviana anefa dia nanjary nahafantatra an’i Jehovah, izay hanangana ny maty ka hanome azy ireo ny fahafahana hiaina mandrakizay. (Asa. 24:15). Teo koa ny vehivavy nizerianina iray, izay nandray anjara tamin’ny ady tany Biafra, fony izy zatovo. Rehefa nifindra nanketo Alemaina izy, dia niova ny fiainany rehefa fantany izay ampianarin’i Jehovah ny olona momba ny fiaraha-miaina amim-pihavanana. — Isaia 2:3, 4.

Eo amin’ireo Italianina tonga Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina, dia tsy mahalana no andrenesana ny filazany ilay ohabolana hoe: “Non tutti i mali vengono per nuocere” (“Tsy fatiantoka avokoa akory ny fahavoazana rehetra”). Tena mifanentana amin’izy ireo tokoa izany! Maro amin’ireo Italianina ireo, ary koa ny olona avy any an-tany hafa, no tonga teto Alemaina mba handositra olana ara-bola. Nanjary nahita zavatra sarobidy kokoa noho ny fananana ara-nofo anefa izy ireo, dia ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.

Voamariky ny hafa ny zotom-pon’ny Vavolombelona mitory amin’ireny olona ireny. Naharay izao taratasy izao ny Kôngregasiôna Halberstadt: “Izahay no foibe ho an’izay mitady fialokalofana, ary mikarakara tsy tapaka olona avy amin’ny firenena maherin’ny 40 izahay. (...) Voatery nandao ny mpianakaviny, ny tanindrazany, ny fiteniny, sy ny fanaon-drazany ireny olona avy amin’ny kolontsaina maro samy hafa ireny. Matetika izy ireny no nandia toe-javatra niteraka fikorontanana anaty, ary miatrika hoavy tsy azo antoka izy ireny. (...) Izany no antony itodihan’ny ankamaroan’izy ireny any amin’ny fivavahana mba hahazoana fanohanana sy fanantenana. Velom-pankasitrahana anareo izahay noho ny nanomezanareo tamim-pahalalahan-tanana [Baiboly amin’ny fiteny maro samihafa], izay manampy ireny olona ireny mba hahita fampiononana sy fatokisana rehefa mamaky ny Baiboly amin’ny fiteniny.”

Ny vitsivitsy amin’ireo antoko-mpitory miteny vahiny

ANGLISY: Mandray soa avy amin’ny asan’ireo kôngregasiôna anglisy ireo mpitsoa-ponenana avy any Nizeria, Ghana, Sri Lanka, Inde, ary avy any an-tany hafa. Anisan’ireo nandray soa i Steven Kwakye, avy any Ghana. Teto Alemaina, dia nilaza tamin’i Steven ny tovolahy iray avy any Bangladesy fa nanao izay handosirana ny Vavolombelona izy. Nanipy hevitra taminy àry i Steven mba handefa ireo Vavolombelona hankany aminy. Nisy Vavolombelona niresaka tamin’i Steven mantsy tany Ghana, fony izy zatovo. Izao izy lavitra ny faneren’ny havany izao, dia naniry hianatra bebe kokoa i Steven. Loholona kristianina izy ankehitriny, ary miara-manompo an’i Jehovah izy sy ny fianakaviany.

TIORKA: Efa Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny folo taona mahery ny vady aman-janak’i Rasim, na dia nanohy nanaraka ny fivavahana silamo aza izy. Nanjary tsikaritr’i Rasim anefa fa samy hafa be mihitsy ny fanazavana ny hevitry ny Kôrana, arakaraka izay masikiriny (mosquée) aleha, hany ka nisy Miozolimanina sasany tsy nety nankany amin’ny masikiriny hafa, ankoatra ilay falehany. Fony izy nitsidika an’i Torkia, dia sady nankany amin’ny masikiriny iray i Rasim no nankany amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hafa noho izay nampianarina teto Alemaina ny fanazavana ny hevitry ny Silamo tao amin’ilay masikiriny. Tsy nisy mihitsy ny firaisan-tsaina. Rehefa niverina teto Alemaina anefa izy, dia nilaza hoe: “Mitovy ny fitiavana sy ny fandaharana ao amin’ny Efitrano Fanjakana eto sy ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Torkia. Ity no fahamarinana.”

HINDI: Tamin’ny 1985, dia nisy Vavolombelona roa tonga teo am-baravaran’i Sharda Aggarwal, izay vao avy nivavaka mba hahitana andriamanitra iray ho azony amborahana ny ao am-pony. Voan’ny kanseran’ny havokavoka ny vadiny. Ketraka tanteraka i Sharda, satria nahatsapa fa tsy niraharaha ny vavaka nataony ireo andriamanitra hindoa. Nanontaniany ireo Vavolombelona raha i Jesosy no Andriamanitra. Nampiaiky azy ny fanazavan’izy ireo fa nahazo valim-bavaka izy. Toa i Jehovah ilay andriamanitra tiany ho fantatra. Nisalasala izy teo am-boalohany ny hiala tamin’ireo andriamanitry ny Hindoisma, sao tsy hampifaly azy ireo. Na dia izany aza, tsy ela dia nariany ny sarin’ireo andriamanitra ireo ary nekeny fa i Jehovah no Andriamanitra marina. Natao batisa izy tamin’ny 1987. Mpisava lalana maharitra izy ankehitriny, ary velom-pankasitrahana fa manompo Andriamanitra velona iray izay azony itokisana. Samy mpanampy amin’ny fanompoana ny vadiny sy ny zanany lahy. — Sal. 62:8.

POLONEY: Tamin’ny 1992, dia nisy kôngregasiôna poloney niforona tao Berlin, ary tamin’io taona io ihany, dia nisy fivoriambe manokana iray andro natao tamin’ny fiteny poloney. Natao tao amin’ny faritanàna iray be mponina manam-piaviana poloney ilay fivoriambe. Na dia izany aza, dia tsy nisy nanampo ny hahita ny Efitrano Fivoriambe sy ny Efitrano Fanjakana teo akaikiny ary ny cafétéria ho feno hipoka. Saika tsy nampino ny nahita olona 2 523, tamin’ny fitambarany, tonga nanatrika! Ny sasany tamin’izy ireo dia Vavolombelona poloney izay nankany amin’ny kôngregasiôna alemà, saingy ravoravo izy ireo nahita ny fisokafan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana teo amin’ny saha poloney, ary velom-pankasitrahana fa afaka nandre fanazavana ireo fahamarinana ara-baiboly tamin’ny fitenin-drazany.

Amin’ny fiteny rosianina sy serba-kroaty ary sinoa koa aza!

ROSIANINA: Taorian’ny nifaranan’ny Ady Mangatsiaka, dia olona maro nihalehibe tany Rosia sy miteny rosianina, saingy manam-piaviana alemà, no niverina teto an-tanindrazany. Teo koa ireo tao amin’ny tafika sovietika, izay nanao raharaha miaramila tatsy Alemaina Atsinanana tamin’izany fotoana izany, niaraka tamin’ireo olona novelominy. Samy teraka mila zavatra ara-panahy avokoa ny olombelona rehetra, ary tsy nahazo izany zavatra nilainy izany izy ireo.

Manam-piaviana alemà ny fianakaviana Schlegel, izay niala tany amin’ny Saikinosy Crimée, any Ukraine, ka nifindra teto an-tanindrazany, tamin’ny 1992. Teto izy ireo no notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray avy any Ouzbékistan izay tonga Vavolombelona teto Alemaina. Rehefa avy nianatra Baiboly ilay fianakaviana manontolo, dia natao batisa.

Tsy nino an’Andriamanitra i Sergej sy i Zhenya vadiny. Rehefa naseho taminy anefa ireo valin-tenin’ny Baiboly tamin’ny fanontaniany, indrindra fa ny mahakasika ny hoavy, dia talanjona izy mivady. Nampitombo tamim-panetren-tena finoana an’i Jehovah izy mivady ka nanao fanitsiana teo amin’ny fiainany, na dia nidika aza izany fa voatery niova asa i Sergej, ka namoy ny vola fisotroan-dronono tokony horaisiny tsy ho ela.

Mpitsabo mpanampy tao amin’ny hopitaly miaramila i Marina, ary teo am-pikarohana ny hevitry ny fiainana. Rehefa voarainy ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, dia novakiny avy hatrany, ary tsy ela dia takany fa hitany izay notadiaviny. Rehefa niverina tany Rosia izy, dia nitsidika olon-kafa izay niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina, mba hampaherezana azy ireo. Tsy ela izy dia nanomboka nanatratra ny zava-kendreny teo amin’ny fiainana tamin’ny naha mpisava lalana azy.

Tamin’ny Aogositra 1998, dia nisy kôngregasiôna rosianina 31 sy antoko-mpitory kely kokoa 63, izay nisy mpitory 2 119, tamin’ny fitambarany: fitomboana 27 isan-jato izany, raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha.

SERBA-KROATY: Nolazain’i Johann Strecker, mpiandraikitra mpitety faritany eo amin’ny saha serba-kroaty, fa fokom-pirenena samy hafa 16, fara fahakeliny, no nipetraka tatsy Iogoslavia teo aloha. Hoy izy: “Mahafinaritra erỳ ny mahita ny fampiraisan’ny fahamarinana azy ireo ankehitriny.” Nasaina hanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina i Munib, miozolimanina iray izay tao amin’ny tafika iogoslavy nandritra ny valo taona. Rehefa tonga tao am-pivoriana izy, dia nahita Kroaty sy Serba ary olona nanam-piaviana silamo niara-mivory tamim-pihavanana. Taminy, dia toa sarotra eritreretina izany! Nijery fotsiny izy nandritra ny iray volana. Rehefa niaiky izy fa tena izy ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina eo anivon’ny Vavolombelona, dia nanaiky hianatra Baiboly izy. Natao batisa izy tamin’ny 1994.

Tonga namangy ny havany, izay lasa Vavolombelona teto Alemaina, i Rosanda, katolika avy any Kroasia izay tao amin’ny couvent iray nandritra ny taona maro. Rehefa avy nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana niaraka tamin’ireo havany ireo izy, dia niaiky hoe: “Ianareo no manana ny fahamarinana. Nanontany tena foana aho hoe tamin’ny fomba ahoana no nitorian’ny Kristianina voalohany ny filazantsara. Rehefa hitako izy roa vavy teny amin’ny lampihazo, ny fomba nitorian’ny iray tamin’ny ankilany, dia tonga tampoka tao an-tsaiko ny eritreritra hoe: ‘Tsy maintsy ho toy izao mihitsy ny nanaovan’ny Kristianina voalohany ilay izy.’ ” Mpisava lalana izy ankehitriny, ho fanarahana ny ohatra navelan’ireo Kristianina tany am-boalohany.

Raha ny marina, ny sasany tamin’ny Vavolombelona alemà izay nianatra ny fitenin’ireo antokon’olona avy tany Iogoslavia teo aloha ireo mba hitoriana taminy, dia nifindra nankany amin’io tany io mba hanompo tany, rehefa azony natao izany.

SINOA: Vao haingana kokoa no nisokatra ny asa teo amin’ny saha sinoa teto Alemaina. “Mbola tsy nahare ny momba antsika mihitsy, ary azo antoka fa mbola tsy namaky Baiboly mihitsy, ny ankamaroan’ny olona avy any Chine”, hoy ny fanazavan’i Egidius Rühle, izay misionera taloha tany Taïwan. Hoy koa izy: “Koa satria dodona hianatra ny ankamaroan’ny Sinoa, dia toy ny sponjy maina mifoka rano izy ireo mandray fahalalana.”

Rehefa nampifankahalalaina tamin’ny fianakavian’ny Betela eto Selters ny kilasy faha-12 amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tamin’ny Oktobra 1996, dia nahafinaritra erỳ ny nifankahita tamin’ny mpianatra sinoa voalohany nanatrika ilay sekoly teto Alemaina. Nianatra ny fahamarinana teto Alemaina izy. Izy indray avy eo no nitory tamin’ny vehivavy sinoa iray, izay profesora momba ny haibolantany, ka nanome azy ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? Voavakin’ilay profesora tao anatin’ny herinandro ilay boky manontolo. Tsy mampianatra momba ny evôlisiôna intsony izy io ankehitriny, fa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano 16 kosa, tamin’ny faran’ny taona 1996.

Dodona hizara izay nianarany

Teratany vahiny an-jatony maro ara-bakiteny no nianatra ny fahamarinana teto Alemaina arakaraka ny fandehan’ireo taona, ary avy eo dia niverina nankany an-tanindrazany mba hanohy ny fitoriana ny vaovao tsara tany. Maro amin’izy ireo no loholona na mpanampy amin’ny fanompoana na manana toeram-piandraiketana hafa ankehitriny. Mpianakavin’ny Betela any Gresy i Petros Karakaris; misionera any Mali i Mamadou Keita; ary misionera any amin’ny République Centrafricaine i Paulin Kangala — fantatry ny maro hoe Pepe — sy i Anke vadiny.

Nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1990, dia mpitory miteny grika maherin’ny 1 500 no niverina tany Gresy, ka loholona mahay ny sasany amin’izy ireo. Ny hafa nifindra nankany Soeda, Belzika, Angletera, sy Kanada mba hampandrosoana ny asa fitoriana teo anivon’ny mponina miteny grika any. Ary azo inoana anefa fa tsy misy firenena eto an-tany, ankoatra an’i Gresy, manana mpitory maro miteny grika toy ny eto Alemaina.

Inona no nitranga tatsy Alemaina Atsinanana?

Tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, i Alemaina dia nofehezin’ireo tafik’i Grande-Bretagne, i Frantsa, ny Firaisana Sovietika, sy i Etazonia. Nozaraina ho faritra efatra i Alemaina izay resy, ka samy nifehy faritra iray avy ny tafika nandresy tsirairay. (Nozaraina efatra koa i Berlin, renivohitra.) Koa satria ny ilany atsinanana tamin’i Alemaina no nofehezin’ny Sovietika, tsy ela dia nanjary fantatra hoe Faritra Atsinanana izy io. Tamin’ny 1949, dia nahazo ny fahaleovan-tenany indray io ilan’i Alemaina io, ka tonga Repoblika Demokratikan’i Alemaina. Raha ny marina anefa, ilay fiantsoana hoe “Faritra Atsinanana” dia novana fotsiny hoe Alemaina Atsinanana. Rehefa tonga Repoblika Federalin’i Alemaina ireo faritra telo sisa tamin’ny 1955, dia nanjary fantatra hoe Alemaina Andrefana, araka ny niantsoan’ny besinimaro azy.

Taorian’ny nirodanan’ny fitondrana nazia, dia tsy nangataka andro ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy amin’ny Faritra Atsinanana, fa nanararaotra ilay fahafahana mba hanaovana fivoriana ampahibemaso sy handraisana anjara tamin-jotom-po tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Nisy maherin’ny 17 000 no nanao tatitra ny fanompoany teny amin’ny saha tatsy Alemaina Atsinanana, teo antenatenan’ny taona 1949. Tsy naharitra anefa ilay fanamaivanana hitan’izy ireo taorian’ny nirodanan’ny fitondrana nazia. Tonga indray ny polisy nandrava ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Nalain’ny fanjakana ireo zavatra vita an-tsoratra. Nosakanana ny lalana mba tsy hahafahan’ny Vavolombelona hanatrika fivoriambe iray. Nosamborina ireo rahalahy. Nivoaka ny fandrarana ofisialy ny asantsika tamin’ny 31 Aogositra 1950. Voatery niasa tamim-piafenana indray ireo Vavolombelona tatsy Alemaina Atsinanana, ka tamin’ity indray mandeha ity, dia ny fitondrana kôminista no nanery azy ireo ho amin’izany, nandritra ny efa ho 40 taona.

Tena faran’izay mafy ny fanenjehana tatsy Alemaina Atsinanana, teo am-piandohan’ilay fandrarana. Nanao tatitra toy izao ilay gazety alemà hoe Berliner Morgenpost, tamin’ny 1990: “Teo anelanelan’ireo taona 1950 sy 1961 [nananganana ilay Rindrina], dia nisambotra Vavolombelon’i Jehovah 2 891 ireo manam-pahefana tatsy Alemaina Atsinanana; 2 202 tamin’izy ireo, anisan’izany ny vehivavy 674, no notsaraina ka nomelohina higadra 12 013 taona, tamin’ny fitambarany. Lehilahy 37 sy vehivavy 13 no maty noho ny fitondrana ratsy na ny aretina na ny tsy fahampian-tsakafo na ny fahanterana, fony izy ireo tany am-ponja. Nisy 12 lahy nomelohin’ny fitsarana higadra mandra-pahafatiny, kanefa tatỳ aoriana, dia nahena ho 15 taona ny saziny.”

Mazava ho azy fa vao fanombohana fotsiny izany. Naharitra 40 taona ilay fandrarana. Nisy fotoana toa nampihena ny fanerena ny Vavolombelona. Avy eo dia nidirana an-keriny indray ny tranony ary nisy hafa koa nosamborina. Na dia tsy azo antoka tsara aza ny tena isan’izy ireo, dia asehon’ny tantaran’ny Fikambanana voarakitra an-tsoratra fa Vavolombelona 4 940 tatsy Alemaina Atsinanana, no nogadraina tany amin’ny toerana 231 samy hafa, nandritra ireo taona nandrarana ny asa.

Fivoriana tamim-pahamalinana

Na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra toy izany aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mazàna no nahita fomba hahazoana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mba hianarany. Rahalahy sy anabavy be herim-po an-jatony maro no nisetra loza nety ho namoizany ny fahafahany, ary na dia ny ainy mihitsy aza indraindray, mba hikarakarana izay ilainy ara-panahy. Matetika no nanana anjara asa lehibe ny anabavy. Talohan’ny nananganana ny Rindrin’i Berlin tamin’ny 1961, dia nankany amin’ny faritra andrefan’i Berlin ireo anabavy, nahazo zavatra vita an-tsoratra avy tao amin’ny biraon’ny Fikambanana tany, ary dia nitondra izany niverina tany aminy. Rehefa nanomboka nanao andry maso ilay birao ireo mpitsikilon’i Alemaina Atsinanana mba hahitana hoe iza no naka zavatra vita an-tsoratra, dia nisy iraka voasambotra. Koa nampiasaina indray àry ny paikady hafa. Naka ny zavatra vita an-tsoratra tao an-tranon’ny Vavolombelona hafa tao Berlin ireo anabavy natao iraka, ary niverina nody. Na dia voasambotra aza ny sasany, ka nentina an-keriny tany amin’ny fitsarana, ary nomelohina higadra, dia tsy nety ritra tanteraka mihitsy ny fikorianan’ny vatsy ara-panahy.

Afaka nanao fivoriana kristianina ve izy ireo tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Ara-dalàna raha nitebiteby ihany ny sasany teo am-boalohany. Takatr’izy ireo anefa fa zava-dehibe ny fiaraha-mivory amin’ny Kristianina namany, raha tiany ny hitoetra ho matanjaka ara-panahy. (Heb. 10:23-25). Nanao izany tamim-pahamalinana izy ireo, notsinjaraina ho antokon’olom-bitsy. Mba ho fiarovana, dia nifampiantso tamin’ny fanampin’anarana fotsiny izy ireo. Natao tamin’ny alina sy tao amin’ny toerana samy hafa ary tamin’ny andro samy hafa ireo fivoriana, tamin’ny ankapobeny. Nandritra ny fotoam-pahavaratra teto, dia tsy azo natomboka talohan’ny tamin’ny folo ora alina ny fivoriana. Tsy sosotra tamin’izany rehetra izany anefa ireo rahalahy.

Na dia tsy azo nampiasaina aza ny Efitrano Fanjakana, dia nisy mpamboly iray tsara fanahy tany Saxe, nanome ny sompitra tao aminy mba hivoriana. Nisy varavarana iray tao ivohon’izy io, izay nivoahana ho amin’ny lalan-kely iray takon’ny kirihitra. Nandritra ny ririnina iray manontolo, dia nisy olona 20 teo ho eo afaka nivory tao amin’ilay sompitra, nohazavain’ny labozia. Tsy ela dia tonga Vavolombelona koa ilay mpamboly.

Ambonin’ny zava-drehetra, dia niomana ho amin’ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy ireo. Tsaroan’i Manfred Tamme ny fotoana iray nandefasany marika amin’ny Fahatsiarovana, ho an’ny rahalahy sasany tany am-ponja: “Nofenoiko divay ny tavoahangy iray fitoeran-dranoka fanao amin’ny volo, ka nasaiko nomena ny rahalahy iray voafonja. Nosokafan’ilay mpiambina ilay tavoahangy, norohany ny tao anatiny, ary hoy izy: ‘Natao tsy hampihintsana ny volo moa izy ity? ‘Izay aloha no voalaza eo e’, hoy ny navaliko azy. Nohidiany ny saron’ilay izy, ary dia nomeny ilay rahalahy tiako homena azy ilay tavoahangy!”

Nianatra ny nitory tao anatin’ny fandrarana izy ireo

Tsy nitsahatra ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tatsy Alemaina Atsinanana. Tsy voarara ny fampiasana Baiboly, koa matetika ireo rahalahy no nanombo-dresaka tamin’ny fampiasana ny Baiboly fotsiny. Koa satria vitsy kely ny zavatra vita an-tsoratra azony natolotra na tsy nisy mihitsy aza, dia nanomana fiaraha-midinika ara-baiboly momba ny foto-kevitra samihafa, niorina tamin’ny andinin-teny maromaro nifandray, izy ireo. Mazava ho azy fa nampidi-doza ny fitoriana. Nety ho ny andro farany nahitanao fahafahana ny andro tsirairay nandehananao nanompo. Nataon’ny Vavolombelona ho “namana maharitra” ny vavaka, araka ny filazan’ny Vavolombelona iray, sady hoy koa izy: “Nahatonga anay hilamin-tsaina sy ho tony izany. Tsy nahatsiaro ho irery na oviana na oviana izahay. Tsy maintsy mailo mandrakariva anefa izahay.”

Na dia teo aza ireo fiezahana mba hitandrina, dia nisy fotoana nifanatrehan’izy ireo tamin’ny polisy. Nisy olona efa fantatr’i Hermann sy i Margit Laube nanasa azy mivady hitsidika olona indray mandeha. Rehefa tonga teo am-baravarana izy mivady, dia nahita fanamiana polisy teo amin’ny fanantonan-damba teo andamosin’ilay rangahy namoha ny trano. Nivaloarika ny tarehin’i Margit; nidobodoboka ny fon’i Hermann. Nanao vavaka mangina izy mivady. Azo antoka ny fampidirana am-ponja! “F’iza ianareo?”, hoy ny fanontanian’ilay rangahy avy hatrany. I Margit no namaly hoe: “Azoko antoka fa efa nisy nahitako anao, fa tsy azoko an-tsaina hoe taiza. Hay, polisy ianao. Tsy maintsy ho tamin’ny fotoana niasanao no nahitako anao.” Somary nihanalefaka kokoa ilay rangahy rehefa namaly hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianareo?” “Eny”, hoy ny navalin’i Hermann. “Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary tsy maintsy ekenao fa mila herim-po izahay handondonana ny varavaranao. Mihevitra izay hahasoa anao mihitsy izahay.” Nasaina nandroso tao an-trano izy mivady. Rehefa avy notsidihina imbetsaka ilay rangahy, dia nanomboka nianatra Baiboly. Tonga rahalahy kristianina izy, tatỳ aoriana.

Tao am-ponja mihitsy no nanaovana ny fitoriana sasany. Tao am-ponja tany Waldheim i Wolfgang Meise. Indray andro izy dia naharay taratasy avy tany amin’ny vadiny. Nilaza ilay vadiny fa ny tenany dia “tany Berlin ka nankafy lasopy Knorr”. (Anarana lasopy be mpitia teto Alemaina ny hoe Knorr.) Nohararaotin’i Wolfgang izany mba hanazavana tamin’ny mpiara-nigadra taminy iray fa ny hevitr’izany dia hoe nisy fivoriambe tao Berlin, ary nanao lahateny tao i N. H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Tsy hadinon’ilay lehilahy na oviana na oviana ny famirapiratry ny mason’i Wolfgang, nampiseho taratry ny hafaliany, teo am-panazavana ilay taratasim-badiny. Tokony ho 14 taona tatỳ aoriana, rehefa nifindra tatỳ Alemaina Andrefana ilay rangahy, dia nanomboka nianatra Baiboly, ary natao batisa tany Würzburg, roa taona taorian’izay.

Nomelohin’ny fitsarana kôminista iray tao Leipzig higadra folo taona fanampiny i Hildegard Seliger, izay efa tany amin’ny toby fitanana nazia nandritra ny taona maro. Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’i Hildegard ny mpiambina vavy iray tao amin’ny fonja tany Halle, fa noheverina ho faran’izay nampidi-doza izy, satria ‘niresaka momba ny Baiboly nandritra ny andro’.

Nisy ny fitomboana tsy an-kijanona, na dia teo aza ny fandrarana

Nitondra voka-tsoa ny zotom-pon’ireo rahalahy. Nanao tatitra i Horst Schramm fa teo am-piandohan’ireo taona 1950, dia nisy mpitory 25 tao amin’ny Kôngregasiôna Königs Wusterhausen, kanefa rehefa nianjera ny Rindrin’i Berlin, dia nisy mpitory 161 tao. Efa nisy mpitory 43 anefa nifindra nankatỳ Alemaina Andrefana, ary nisy maromaro no maty. Raha ny marina, dia maherin’ny 70 isan-jaton’ny Vavolombelona marisika ankehitriny any amin’ny kôngregasiôna sasany no nianatra ny fahamarinana, nandritra ny fotoan’ny fandrarana.

Ohatra ny amin’izany ny fianakaviana Chemnitz. Nianatra ny fahamarinana sy natao batisa fony fahakeliny i Bernd sy i Waltraud, teo am-piandohan’ilay fandrarana. Rehefa nivady izy roa ka nanomboka niteraka, dia tsy navelany hisakana azy tsy hitaiza ny zanany ho tonga mpanompon’i Jehovah ilay fandrarana. Tamin’ireo taona 1980, raha mbola voarara ny asa, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah ka natao batisa i Andrea, i Gabriela, i Ruben, ary i Esther, ho fanarahana ny dian’ny ray aman-dreniny. I Matthias zandriny indrindra ihany no natao batisa taorian’ilay fandrarana. Nitahy be dia be ny fahatapahan-kevitr’io mpivady io teo anoloan’ny fanoherana i Jehovah. Mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela eto Selters avokoa izy dimy mianadahy zanany. Valisoa re izany!

Hoy ny loholona iray, izay nanampy tamin’ny fanangonana ireo tatitra momba ny fanompoana isam-bolana nalefa tany amin’ny Fikambanana: “Tao anatin’ireo 40 taona naharetan’ilay fandrarana, dia tsy nisy volana nandalo na dia iray aza ka tsy nanaovana tatitra hoe nisy natao batisa.” Nanazava izy avy eo hoe: “Mazàna no natrehin’olom-bitsy ny batisa, ary natao tany an-tranon’olona manokana. Taorian’ny lahateny, dia naroboka tao amin’ny baignoire fandroana ireo mpilatsaka hatao batisa. Matetika no nanahirana ny nandentika azy ireo tanteraka. Na dia teo aza ny zava-nanahirana kely toy izany, dia mbola mahatsiaro amim-pifaliana ny andron’ny batisany ny tsirairay amin’izy ireo.”

Rehefa azo natao indray ny namoaka tatitra momba ny fanompoana tatsy Alemaina Atsinanana, dia nahafaly erỳ ny nahafantatra fa nisy mpitory marisika 20 704 tany, nandritra ireo taona 1980! Mazava ho azy fa tsy ilaina intsony ankehitriny ny manao tatitra mitokana. Tafakatra ho 154 108 ny tontalin’ny mpitory nanerana an’i Alemaina nitambatra indray, nandritra ny taona 1990.

Naverina nalamina indray ny asa mba hanatanjahana ny firahalahiana

Niezaka hampisaraka ny Vavolombelona tatsy Alemaina Atsinanana tamin’ny rahalahiny kristianina tany an-tany hafa ireo mpitondra kôminista. Nandritra izany fe-potoana izany, dia nisy fiovana lehibe nampiharina tao amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany. Natao ireny fiovana ireny mba hifanarahana akaiky kokoa amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Natao mba hanatanjahana ny firahalahiana iraisam-pirenena koa izy ireny, ary koa mba hanomanana ny fandaminana ho amin’ny fitomboana haingana mandritra ireo taona ho avy. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:17, 28.

Araka izany, nanomboka tamin’ny Oktobra 1972, ny fiandraiketana ny kôngregasiôna dia tsy nataon’olon-tokana intsony, fantatra hoe mpikarakara ny kôngregasiôna, izay nikarakara ny asa nilaina niaraka tamin’ireo mpanampy azy. Fitambaran-doholona kosa no voatendry hiandraikitra ny kôngregasiôna tsirairay avy. Tamin’ny 1975, dia efa nanomboka niharihary ny vokatra tsara dia tsara nentin’io fiovana io.

Kanefa, tsaroan’i Erwin Herzig, mpiandraikitra mpitety faritany efa hatramin’ny ela, fa tsy ny rehetra no nandray tamim-pifaliana io fiovana io. Nolazainy fa nampiharihary “ny toe-pon’ny sasany tamin’ny mpikarakara ny kôngregasiôna” izy io. Na dia nampiseho tsy fivadihana avy amin’ny fo aza ny ankamaroan’izy ireo, ilay fiovana dia nanaisotra ireo vitsivitsy izay fatra-paniry laza sy naniry kokoa ny “ho voalohany”, fa tsy ny hanompo ny rahalahiny.

Mbola nisy fiovana hafa koa tatỳ aoriana. Nandritra ireo taona 1970, dia nitarina ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah ka nalamina indray, ary nozaraina tamin’ny komity enina, izay nanomboka niasa tamin’ny 1 Janoary 1976, ny asan’izy io. Nasiana fanitsiana koa ny fiandraiketana ireo biraon’ny sampana naneran-tany, iray volana tatỳ aoriana, tamin’ny 1 Febroary 1976. Tsy mpikarakara tokana intsony no nitantana ny sampana. Ny Komitin’ny Sampana kosa, izay voatendrin’ny Fitambara-mpitantana, no niandraikitra ny sampana tsirairay.

Nisy fotoana teo aloha efa samy nanompoan’ny Rahalahy Frost sy ny Rahalahy Franke ary ny Rahalahy Kelsey tamin’ny naha mpikarakara ny sampana azy teto Alemaina. Voatery nandao ny Betela noho ny antony ara-pahasalamana ny Rahalahy Frost. (Maty tamin’ny 1987 izy, teo amin’ny faha-86 taonany. Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana [frantsay] 15 Janoary 1962 ny tantaram-piainany.) Rehefa naorina teto Alemaina ny Komitin’ny Sampana nisy mpikambana dimy tamin’ny 1976, dia tafiditra tao i Konrad Franke (izay efa naiditra am-ponja imbetsaka nandritra ny fanapahan’ny Nazia), sy i Richard Kelsey (nahazo diplaoman’i Gileada sady efa nanompo hatramin’ny 25 taona teto Alemaina tamin’izany fotoana izany). Tafiditra tao koa i Willi Pohl (tafavoaka velona avy tany amin’ny toby fitanana nazia ary efa nanatrika ny kilasin’i Gileada faha-15), i Günter Künz (nahazo diplaoman’ny kilasin’i Gileada faha-37), sy i Werner Rudtke (mpiandraikitra mpitety faritany taloha).

Mbola ao amin’ny Komitin’ny Sampana ihany izy rehetra ireo, afa-tsy ny Rahalahy Franke, izay maty tamin’ny 1983. (Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana [frantsay] 1 Oktobra 1963 ny tantaram-piainan’i Konrad Franke.) Nisy rahalahy roa hafa koa tao amin’ilay komity, talohan’ny nahafatesan’izy ireo: i Egon Peter, nanomboka tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1989, sy i Wolfgang Krolop, nanomboka tamin’ny 1989 ka hatramin’ny 1992.

Misy mpikambana valo ao amin’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny. Ankoatra ny efa voatonona teo, dia ao koa i Edmund Anstadt (nanomboka tamin’ny 1978), i Peter Mitrega (nanomboka tamin’ny 1989), ary koa i Eberhard Fabian sy i Ramon Templeton (nanomboka tamin’ny 1992).

Rehefa natomboka tamin’ny 1976 ilay fandaharam-panitsiana ny fiandraiketana ny sampana, dia tsy nisy afa-tsy 187 monja ny mpianakavin’ny Betela tao Wiesbaden, tatỳ Alemaina Andrefana. Taorian’izay, dia nitombo ny mpiasa ka tonga 1 134, izay avy amin’ny firenena 30. Hita taratra amin’izany fa iraisam-pirenena ny asa ataon’ity sampana ity, ary tombontsoany ny mandray anjara amin’izany.

Fanontam-pirinty ilaina amin’ny fanitarana

Teo antenatenan’ireo taona 1970, ireo tranon’ny sampana teto Alemaina dia tao amin’ny faritra iray ao Wiesbaden fantatra hoe Kohlheck, izay faritanàna somary nangingina teo an-tsisin’ny ala iray, fa ankehitriny kosa mihamiroborobo haingana. Efa in-13 ny Fikambanana no nanitatra ny taniny teo amin’io faritra io. Nitombo ho 100 000 teo ho eo anefa ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tatỳ Alemaina Andrefana. Nilaina ny birao lehibe kokoa mba hiandraiketana ny saha fanompoana. Nilaina ny fanontam-pirinty lehibe kokoa mba hamokarana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Nanjary tena sarotra ny fahazoana tany fanampiny hanaovana ilay fanitarana. Ahoana no hamahana ilay olana? Nivavaka mba hahazoana ny fitarihan’i Jehovah ny Komitin’ny Sampana.

Teo amin’ny faramparan’ny taona 1977, dia nanomboka nieritreritra ny hanorina tranon’ny Betela vaovao any an-toeran-kafa ny Komitin’ny Sampana voatendry vao haingana. Tena nilaina anefa ve izany? Nihevitra ny rehetra fa tsy maintsy ho tena antomotra ny faran’ity fandehan-javatra tranainy ity. Nilaina noheverina koa anefa ny anton-javatra hafa iray. Niova ny fomba fanontam-pirinty, ary voatery hanaraka izany ny Fikambanana, raha mbola tiany ny hanohy hanonta pirinty amin’ny ambaratonga lehibe, mandritra izay mety ho fe-potoana sisa tavela ho an’ity fandehan-javatra tranainy ity. Mahaliana fa ny traikefa azo tamin’ny niatrehana ny toe-javatra tatsy Alemaina Atsinanana, nandritra ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanamora ny fanaovan’ny rahalahy tao Wiesbaden ireo fiovana, rehefa tena nilaina izany. Tamin’ny fomba ahoana?

Ilay fanapahan-kevitra hampiasa milina offset

Nihasarotra hatrany ny fanomezana zavatra vita an-tsoratra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Alemaina Atsinanana, taorian’ny nananganana ny Rindrin’i Berlin tamin’ny 1961. Mba hanamorana izany, dia nisy fanontana manokana Ny Tilikambo Fiambenana kely velarana kokoa nomanina ho azy ireo. Lahatsoratra fianarana ihany no tao amin’izy io. Voatery natao composition indray ireo lahatsoratra navoaka tao amin’io fanontana io. Sarotra ny nanao pirinty teo amin’ny taratasy faran’izay manify, ary sarotra koa ny namalona ireo takelaka vita pirinty. Rehefa nahita milina afaka mamalona ho azy ny takelaka ireo rahalahy, dia tsikaritr’izy ireo fa namboarina tao Leipzig, atsy Alemaina Atsinanana, izy io. Tany anefa no nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nikendrena handefasana io fanontana Ny Tilikambo Fiambenana tsy dia nisongadina io.

Mba hanatsorana ilay asa, dia nanipy hevitra ny hanontana fanindroany ireo gazety tamin’io fomba io ny rahalahy iray izay efa nianatra ny fampiasana milina offset, talohan’ny nidirany tato amin’ny Betela. Azo nalaina sary ireo lahatsoratra fianarana, nohakelezina, ary avy eo dia napetraka teo amin’ny plaky offset. Nisy nanome ho an’ny sampana, milina offset kely iray nanao pirinty teo amin’ny takela-taratasy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia azo natao ny namoaka ilay gazety manontolo mihitsy, fa tsy ireo lahatsoratra fianarana ihany, tsy niloko fa mainty sy fotsy aloha teo am-boalohany, ary niloko tatỳ aoriana. Na dia ny boky kely velarana aza dia azo novokarina tamin’izany fomba izany koa.

Rehefa nitsidika an’i Wiesbaden tamin’ny 1975 i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany, dia nijery tamim-pahalianana ilay fanaovam-pirinty izy. “Tsy ratsy”, hoy izy rehefa avy nandinika ilay zavatra vita pirinty. Rehefa nohazavaina taminy fa fanontana manokana ho an’i Alemaina Atsinanana ilay izy, ary tianay ilay fomba vaovao namokarana azy, dia hoy ny navalin’ny Rahalahy Knorr: “Mendrika ny hahazo ny tsara indrindra azontsika omena ireo rahalahy miaritra ny mafy.” Teo no ho eo ihany, dia nekeny ny hividianana milina fanampiny mba hanaovana ilay asa.

Nitsidika an’i Alemaina i Grant Suiter, anisan’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ny 1977. Nolazainy fa naka fotoana mba hieritreretana tsara momba ny hivadihana ho amin’ny milina offset ny Fikambanana, ary tapa-kevitra izao ny hanao izany amin’ny ambaratonga lehibe. Tamin’izay anefa dia efa nanana traikefa tamin’izany ireo rahalahy tany Wiesbaden. I Alemaina Atsinanana no nanomana azy ireo tamin’ny fomba tsy nivantana ho amin’izany fiovana izany.

Tsy ampy anefa ny nanaiky fotsiny ilay hevitra hoe tena nilaina ny fanovana ny fomba fanontam-pirinty. Nohazavain’ny Rahalahy Suiter fa nilaina koa ny milina fanontam-pirinty lehibe kokoa sy mavesatra kokoa. Aiza anefa no ho azo ametrahana azy ireo? Zavatra iray ny mieritreritra milina offset ampiasana horonan-taratasy sy loko, ary zavatra hafa mihitsy ny manatanteraka izany. Nofakafakaina ny fomba maromaro nety ho azo nanitarana bebe kokoa tany Kohlheck, saingy hita ho nanahirana avokoa izy rehetra. Inona àry no tokony hatao?

Tranon’ny sampana vaovao

Nanomboka ny fitadiavana toerana hafa. Vavolombelona 50 000 teo ho eo no tafangona tao amin’ny fivoriambe iray tao Düsseldorf, ary efa ho 60 000 no tao Munich, tamin’ny 30 Jolay 1978. Gaga izy rehetra ireo rehefa nampahafantarina fa natao ny planina mba hividianana tany ho azo anorenana tranon’ny sampana vaovao tanteraka.

Nandritra ny efa ho herintaona, dia toerana 123 no nanaovana famotopotorana. Tamin’ny farany, dia ny tany iray eto amin’ny havoana iray ahatazanana ny vohitr’i Selters no voafantina. Novidina tamin’ny 9 Martsa 1979 izy io, rehefa neken’ny Fitambara-mpitantana. Sombin-tany 65 hafa nifanila tamin’izy io no azo, taorian’ny nifampiraharahana tamin’ny tompon-tany 18 hafa, ka nahazoana tany mirefy 30 hektara ho azo ampiasaina. Mora nitaterana entana tamin’ny kamiao teto Selters, izay 40 kilaometatra eo ho eo atỳ avaratr’i Wiesbaden. Tsy ampy 65 kilaometatra avy eto ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Rhein-Main ao Francfort.

Nadiva hanomboka àry ny tetik’asa fanorenana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina. Ho vitanay marina ve ilay asa? Izao no tsaroan’i Rolf Neufert, anisan’ny Komitin’ny Fanorenana: “Tsy nisy rahalahy na dia iray aza, afa-tsy ilay rahalahy mpanao mari-trano, efa niasa tamin’ny tetik’asa lehibe toy izany. Tsy mora ny naka sary an-tsaina ny hasarotr’ilay asa. Raha ny tokony ho izy, dia birao efa manana traikefa an-taonany maro sy misy ireo manam-pahaizana manokana rehetra ilaina vao afaka miantsoroka tetik’asa lehibe sy sarotra toy izany.” Nanjohy hevitra anefa ireo rahalahy hoe raha tian’i Jehovah ny hanaovan’izy ireo ilay fanorenana, dia hotahiny koa ny ho fiafaran’izy io.

Fahazoan-dalana hanorina niisa 40 no tsy maintsy nalaina, kanefa nahafinaritra fa nanampy tsara ireo manam-pahefana teto an-toerana, ary nankasitrahanay indrindra izany. Marina aloha fa nisy fanoherana teo am-boalohany, kanefa ny mpitondra fivavahana no tena rangory fototry ny afo tamin’izany. Nandamina fivoriana mba hampipoirana fanoherana izy ireo, kanefa tsy nahomby.

Nanolo-tena hanampy tamin’ilay asa ny Vavolombelona nanerana an’i Alemaina. Niavaka tokoa ny toe-tsaina nasehon’izy ireo. Nisy mpiasa raikitra 400 isan’andro, tamin’ny antsalany, teo amin’ilay toeram-panorenana, notronin’ny mpiasa “mpanao vakansy” izay nisy tokony ho 200, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona. Nandritra ireo efa-taona nanorenana, dia tsy latsaka ny 15 000 ny Vavolombelona nanolo-tena hanampy.

Izao no tsaroan’ny rahalahy iray: “Na nanao ahoana na nanao ahoana ny toetr’andro sy ny fahasahiranana, na nafana ny andro na nangatsiaka na namanala aza, dia nandroso foana ny asa. Tamin’ny fotoana ho nampiatoan’ny hafa ny asany, dia vao nanomboka ny asanay indrindra izahay.”

Nisy tonga nanampy koa ny avy any an-tany hafa. Tsy hitan’i Jack sy i Nora Smith, niaraka tamin’i Becky, zanany vavy 15 taona, ho lavitra loatra ny dia an’arivony kilaometatra maro avy tany Oregon, any Etazonia, mba hanolorana fanampiana. Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena iray tany Munich izy telo mianaka, rehefa nambara ny fikasan’ny Fikambanana hanorina tranon’ny sampana vaovao teto Alemaina. “Ho tombontsoa tokoa izany hiasa amin’ny fanorenana Betela vaovao izany!”, hoy izy ireo. Nampahafantarin’izy ireo àry fa vonona hanampy izy. Izao no tsaroan’i Jack: “Raha mbola nanao ny asa fanomanana fivoriambe izahay tamin’ny 1979, dia nahazo taratasy fangatahana hofenoina sy taratasy fanasana ho tonga haingana araka izay azonay natao. Nientanentana erỳ izahay, hany ka nila tsy hifantoka tamin’ilay asa na tamin’ilay fivoriambe.”

Voatery nohavaozina ireo trano efa teo amin’ilay tany, mba hilasian’ny mpiasa amin’ny fanorenana. Tamin’ny ririnin’ny 1979/1980, dia vita ny trano voalohany. Napetraka ny fototra ho an’ny tranon’ny Betela vaovao tamin’ny Septambra 1980. Natomboka koa ny asa teo amin’ny toerana ho an’ny fanontam-pirinty, ary tena ara-potoana indrindra izany. Tokony ho tonga teo am-piandohan’ny taona 1982 mantsy ilay milina offset 27 metatra, izay nohafarana tamin’ny Janoary 1978. Tsy maintsy vitaina amin’izay fotoana izay àry ny trano fanontam-pirinty, na ny tapany aminy, fara faharatsiny.

Izahay ihany dia afaka nanao ny ankabeazan’ny asa. Mbola naneho ny fahatalanjonany ihany ny rahalahy iray hoe: “Tsy nisy taminay nanana traikefa tamin’ny tetik’asa lehibe toy izany, ary niovaova foana ny mpiasa. Matetika izahay no nieritreritra hoe hiato ny asa teo amin’ny sehatra iray na hafa, satria tsy nisy ny nanana fahaizana manokana nilaina ho amin’ny asa sasany. Imbetsaka anefa no nitrangan’ny hoe tamin’ny minitra farany, dia tonga tampoka ny fangatahana avy tamin’ny rahalahy mahay iray. Arakaraka ny nilana ireo rahalahy no nipoiran’izy ireo.” Velom-pisaorana an’i Jehovah izy ireo noho ny fitarihany sy ny fitahiany.

Ny fifindrana teto Selters

Asa be ny namindra ireo fanaka sy fananana manokan’ireo Betelita 200 teo ho eo, ary tsy resahina intsony ireo milina sy fitaovana rehetra nilainy tamin’ny asany. Tsy vita indray mandeha izany, satria asa goavana loatra. Nifindra tsikelikely teto Selters isaky ny sampan-draharaha, arakaraka ny fandroson’ny asa fanorenana, ny fianakavian’ny Betela.

Anisan’ny voalohany nifindra ireo niasa tao amin’ny fanontam-pirinty, satria io no tapany voalohany vita. Novahana sy noravana tsikelikely ireo milina tany Wiesbaden ka nafindra teto Selters. Tetsy an-danin’izany, tamin’ny 19 Febroary 1982, dia natomboka ny fanontam-pirinty miloko tamin’ny presse rotative offset vaovao, teto Selters. Fety be tamin’izay! Tamin’ny May, dia tsy niasa intsony ny fanontam-pirinty tany Wiesbaden. Nifarana ny fanontanay pirinty tany Wiesbaden, rehefa avy niasa 34 taona.

Ny fanontana ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, no asa lehibe voalohany ho an’ilay milina offset vaovao. Nokasaina havoaka amin’ireo fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1982 io boky vaovao io, ary nasaina hanonta azy io tamin’ny fiteny fito i Alemaina. Ny olana anefa dia mbola tany Wiesbaden ny fanakambanam-boky. Tsy nafindra teto Selters izy io, raha ny marina, raha tsy herintaona mahery tatỳ aoriana. Koa rehefa vita pirinty teto Selters àry ireo fitambaram-pejin’ny boky, dia nentin’ny kamiaon’ny Fikambanana haingana nankany Wiesbaden mba hakambana. Na dia nitaky asa amboniny aza izany, dia nahavita nanakambana boky 485 365 tamin’ireo 1 348 582 natao pirinty voalohany ireo rahalahy. Nahafaly ireo olona sesehena avy tamin’ny firenena samy hafa nanatrika fivoriambe tany amin’ny tany maromaro ny fivoahan’io boky vaovao io.

Ara-dalàna raha sady faly no nalahelo ireo rahalahy rehefa nifindra. Fonenan’ny Betelita sasany nandritra ny efa ho 35 taona mantsy i Wiesbaden. Tsy ela anefa dia nozarazaraina ireo tranon’ny Betela tany Wiesbaden, ka namidy tamin’ny olona samihafa. Tapany kely fotsiny tamin’ilay trano fanakambanam-boky taloha no notazonina sy nohavaozina ho Efitrano Fanjakana. Kôngregasiôna efatra — roa alemà, iray anglisy, ary iray rosianina — no mivory ao amin’io efitrano io ankehitriny, ka mampiseho tsara ny firaisan-tsain’ny vahoakan’i Jehovah avy amin’ny firenena samy hafa izany.

Andro fitokanana

Rehefa vita hatramin’ny tsipiriany farany ireo tranon’ny Betelan’i Selters, dia natao ny 21 Aprily 1984 ny fandaharam-pitokanana. Samy nahatsapa mafy ireo rehetra nandray anjara tamin’ilay tetik’asa fa nomba azy ireo ny tanan’i Jehovah. Nitady ny fitarihan’i Jehovah izy ireo, ary velom-pisaorana azy fa voaesotra ireo vato misakana toa tsy azo nihoarana. Hitan’izy ireo izao fa ireo trano vita ireo, izay efa nampiasaina sahady mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina, dia porofo azo tsapain-tanana ny amin’ny fitahian’i Jehovah. (Sal. 127:1). Eny tokoa, fotoam-pifaliana lehibe tamin’izay.

Teo am-piandohan’ilay herinandro, dia nisokatra ho an’ny mpitsidika ireo trano. Nasaina hitsidika ireo trano ny manam-pahefana isan-tsokajiny avy izay nifampiraharaha tamin’ny Fikambanana. Noraisina an-tanan-droa koa ny mponina teo an-tanàna. Nolazain’ny mpitsidika iray fa raha tsy noho ny pastorany, dia tsy ho tonga izy. Nohazavainy fa nimenomenona imbetsaka aoka izany momba ny Vavolombelona ny pastorany tao anatin’ireo taona faramparany, hany ka nankaleo ny kôngregasiôna manontolo ny nihaino azy. Ny alahady talohan’io, dia namelively ny Vavolombelona indray ilay pastora, ka nampitandrina ny andian’ondriny mba tsy hanaiky ny fanasan’ny Vavolombelona hitsidika ny Betela. “Fantatro fa nanao fanasana ianareo, saingy hadinoko ilay daty”, hoy ny fanazavan’ilay mpitsidika. “Raha tsy nolazain’ny pastoranay ilay izy tamin’ny alahady teo, dia azoko antoka fa tsy ho tsaroako.”

Taorian’ireo fitsidihana savaranonando, dia tonga ilay andro ho an’ny fandaharam-pitokanana, rehefa ela ny ela. Rehefa nanomboka tamin’ny mozika ny fandaharana tamin’ny 9.20 maraina, dia nahafaly erỳ ny nahafantatra fa afaka namaly ilay fanasana ny 13 tamin’ireo mpikambana 14 tao amin’ny Fitambara-mpitantana, ka tonga teo! Koa satria tsy afaka nanatrika teto avokoa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ilay tetik’asa, dia natao izay hampifandraisana an-telefaonina toerana 11 hafa nanerana an’i Alemaina. Olona sesehena niisa 97 562 no afaka nankafy tamin’izany fomba izany ilay fandaharana tsara dia tsara.

Anisan’ireo nanatrika teto Selters tamin’io andro tsy hay hadinoina io ny ankamaroan’ireo voasedra finoana fony nogadraina tany amin’ny toby fitanana nazia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary koa ny vitsivitsy izay nafahana vao haingana kokoa tamin’ny figadrana tatsy Alemaina Atsinanana. Tao, ohatra, i Ernst sy i Hildegard Seliger. Enimpolo taona talohan’izay indrindra no nanombohan’ny Rahalahy Seliger ny fanompoana manontolo andro, ary nandany maherin’ny 40 taona tany am-ponja sy tany amin’ny toby fitanana izy mivady, tamin’ny fitambarany, teo ambany fitondrana nazia sy kôminista. Izao no nosoratan’izy mivady, rehefa avy nanatrika ilay fandaharam-pitokanana: “Azonareo alaina sary an-tsaina ve izay tsapanay rehefa navela hanatrika io fanasam-be ara-panahy nahafinaritra tao amin’ny paradisantsika ara-panahy io izahay? Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia toy ny nihaino mozika kilasika mihaja avy tamin’Andriamanitra momba ny firaisan-tsaina sy ny firindrana teôkratika, ny nihaino ilay fandaharana faran’izay tsara.” (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana [frantsay] 1 Novambra 1975, mba hahitana ny tsipiriany tamin’ny fitsapam-pinoana nodiavin’izy mivady.)

“Trano ho an’ny anaran’i Jehovah”

Matetika no zendana ny olona mahita ny Vavolombelon’i Jehovah manorina Efitrano Fanjakana ao anatin’ny herinandro vitsivitsy na angamba andro vitsivitsy monja, manorina Efitrano Fivoriambe lehibe amin’ny alalan’ny mpiasa an-tsitrapo, sy manome an-tsitrapo dolara an-tapitrisany maro mba hanorenana ireo tranon’ny Betela. Nanana fahafahana maro hahita mivantana izany asa rehetra izany ireo mponina teto Alemaina.

Notokanana tao Berlin Andrefana teo am-piandohan’ireo taona 1970 ny Efitrano Fivoriambe voalohany tatỳ Alemaina Andrefana. Nisy hafa koa notokanana tatỳ aoriana, hany ka natao tany amin’ireo Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelona avokoa ireo fivoriamben’ny fizaran-tany rehetra tatỳ Alemaina Andrefana, tamin’ny 1986.

Hita miharihary fa notahin’i Jehovah ny asan’ireo rahalahy tamin’ireny tetik’asa ireny. Tao Munich, noho ny fanampian’ny manam-pahefana tao an-tanàna, dia azo tamin’ny vidiny mirary dia mirary ny tany hanaovana Efitrano Fivoriambe iray, eo ampitan’ny Kianja Olympika goavana, eo an-tsisin’ny Zaridaina Olympika tsara tarehy.

Niezaka mafy ireo rahalahy mba hitana ho faran’izay kely ny fandaniana tamin’ny fitaovana sy ny fanorenana. Nafindra toerana ny foiben-kerin’aratra iray, ka nisy tabilao elektrika maromaro sy foiben-telefaonina iray namidy, ary dia latsaka ny 5 isan-jaton’ny vidiny tany am-boalohany no nahazoan’ireo rahalahy izany. Narodana tamin’ny fotoana nety indrindra ny fitambaran-trano iray, ka nahazoana tamin’ny vidiny mirary, koveta fisasana, kabine, varavarana, varavarankely, sy fantsona an-jatony metatra maro ho an’ny rano sy gaza ary fampangatsiahan-drivotra. Mbola afaka nitsitsy vola ihany koa ireo rahalahy, satria izy ireo ihany no nanao ny seza sy ny latabatra. Tsy maintsy namboly hazo tilleuls 27 teo an-tokotanin’ilay Efitrano Fivoriambe ireo rahalahy, ho fanarahana ny fitsipika tao an-tanàna momba ny fandravahana ny faritra taza-maso. Toeram-pambolen-janakazo iray efa nadiva hikatona no nanana ireo hazo nilaina. Ampy isa sy haavo, araka ny nilana azy indrindra ny hazo tsirairay, ary ny ampahafolon’ny tokony ho vidiny no nahazoana azy ireo. Rehefa vitan’ny tanànan’i Munich rarivato ny ankamaroan’ny arabeny, dia vato an-taonina maro no azo tamin’ny vidiny mora be, izay nampiasaina mba hanaovana rarivato ireo lalan-kely manodidina ny Efitrano Fivoriambe sy ny parking mifanila aminy.

Misy fitantarana maro toy izany azo resahina momba ny Efitrano Fivoriambe hafa eto Alemaina, ary samy manana ny mampiavaka azy sy ny hatsaran-tarehiny avy ny tsirairay amin’izy ireny. Tena “trano ho an’ny anaran’i Jehovah” tokoa ny tsirairay aminy, araka ny nilazalazan’i Solomona Mpanjaka ny tempoly tany Jerosalema, maherin’ny 3 000 taona lasa izay. — 1 Mpanj. 5:19.

Ankoatra izany, dia mandroso haingana koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana mba hikarakarana izay ilain’ireo kôngregasiôna 2 083 eto Alemaina. Misy Komitim-paritra Momba ny Fanorenana 17 eto ankehitriny. Tsy nanana Efitrano Fanjakana afa-tsy 230 ny Vavolombelona nanerana an’i Alemaina, talohan’ny niforonan’ny komity voalohany tamin’ny 1984. Hatramin’izay ka hatramin’ny Aogositra 1998, dia nisy efitrano vaovao 58, tamin’ny antsalany, naorina isan-taona, izany hoe efitrano mihoatra ny iray isan-kerinandro, tato anatin’ny 12 taona farany!

Mihevitra ny any ivelan’ny sisin-taniny koa ny Vavolombelon’i Jehovah eto Alemaina, raha ny fanorenana no asian-teny. Anisan’ny fianakaviana iray maneran-tany izy ireo. Vavolombelona maherin’ny 40 avy eto Alemaina no mpanompo iraisam-pirenena, izay vonona handray anjara amin’ny asa fanorenana, na aiza na aiza handefasan’ny Fikambanana azy, ary na hafiriana na hafiriana hilana azy. Nisy Vavolombelona 242 hafa nanompo nandritra ny fe-potoana samy hafa tamin’ny tetik’asa toy izany, tany an-tany hafa.

Miandry ny andian’ondry ireo mpiandraikitra mpitety faritany

Anton-javatra lehibe iray mahatonga ny fahasalamana ara-panahin’ny fandaminana ny asa ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Tena mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra tokoa ireny lehilahy ireny. (1 Pet. 5:1-3). ‘Lehilahy natolotra ho fanomezana’ izy ireny, araka ny nilazalazan’ny apostoly Paoly azy. — Efes. 4:8, NW.

Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nitsidika sy nampiorina ireo kôngregasiôna ary niara-niasa taminy teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Anisan’ireny rahalahy ireny, ohatra, i Gerhard Oltmanns sy i Josef Scharner ary i Paul Wrobel, izay samy natao batisa tamin’ny 1925. Tao koa i Otto Wulle sy i Max Sandner, izay samy natao batisa tamin’ireo taona 1930.

Arakaraka ny nilana mpiandraikitra mpitety faritany fanampiny no nanendrena rahalahy hafa. Nanomboka tamin’ny faran’ny ady lehibe ka hatramin’izao, dia rahalahy maherin’ny 290 no nandray anjara tamin’ny asa fitetezam-paritany tatỳ Alemaina Andrefana, ary maherin’ny 40 ny tatsy Alemaina Atsinanana. Nanome ny heriny sy ny fahaizany tokoa izy ireo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Ho an’ny sasany, dia nidika izany fa nahalana izy ireo vao nahita ny zanany efa lehibe na ny zafikeliny. Ny hafa kosa nanao izay hiarahana tsy tapaka tamin’ny ray aman-dreniny be taona na marary, raha mbola niantsoroka ny asa nanendrena azy.

Nanao io asa mafy, saingy mitondra fahafaham-po, io hatramin’ny am-polony taona maro ny sasany amin’ireo mpitory mpitety faritany ireo. Tamin’ny taona 1956, ohatra, no nanombohan’i Horst sy i Gertrud Kretschmer ny asa fitetezam-paritany nanerana an’i Alemaina. Mbola tsaroan’ny Rahalahy Kretschmer ihany fa, fony izy nijanona vetivety tao amin’ny Betelan’i Wiesbaden tamin’ny 1950, dia nametraka tamim-pitiavana ny tanany teo an-tsorony i Erich Frost, ka nanao hoe: “Aza manahy na oviana na oviana, ry Horst a. Raha tsy mivadika hatrany amin’i Jehovah ianao, dia hikarakara anao izy. Efa nahita izany ny tenako; ary hahita izany koa ianao. Aoka ianao haneho tsy fivadihana hatrany fotsiny.”

Tamin’ny taona 1998, dia rahalahy 125 no mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny distrika teto Alemaina. Lehilahy matotra izy ireny, izay nandany 30 taona, tamin’ny antsalany, teo amin’ny fanompoana manontolo andro ho an’i Jehovah. Be zotom-po eo amin’ny fanompoana koa ireo vadiny, ary fampaherezana manokana ho an’ireo anabavy any amin’ny kôngregasiôna tsidihiny.

Nankany Brooklyn ny mpiandraikitra mpitety faritany iray

Fanta-daza teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah teto Alemaina i Martin sy i Gertrud Poetzinger. Samy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy mivady, taloha sy nandritra ary taorian’ny Reich Fahatelo naorin’i Hitler. Rehefa nafahana avy tamin’ny fanagadran’ny Nazia izy mivady, dia nanohy avy hatrany ny fanompoana manontolo andro. Nanao ny asa fitetezam-paritany nandritra ny 30 taona mahery izy mivady, ka nitsidika fizaran-tany nanerana an’i Alemaina. Vavolombelona an’arivony maro no nanjary tia sy nanaja azy mivady.

Nanatrika ny kilasin’i Gileada faha-32 ny Rahalahy Poetzinger, tamin’ny 1959. Tsy niaraka taminy i Gertrud, izay tsy nahay teny anglisy, kanefa niara-paly taminy noho io tombontsoa io. Tsy zava-baovao taminy izany hoe tafasaraka tamin’ny vadiny izany. Nampisaraka azy mivady an-tery nandritra ny sivy taona mantsy ny fanenjehan’ny Nazia, ary izany dia volana vitsivitsy monja taorian’ny fampakaram-badiny. Rehefa nangataka azy roa hisara-toerana an-tsitrapo noho ny asa teôkratika izao ny fandaminan’i Jehovah, dia tsy nisalasala izy mivady, ary tsy nitaraina velively.

Tsy mba nanompo an’i Jehovah mba hahazoan’ny tenany tombony na ny lahy na ny vavy. Nanaiky an-tsitrapo mandrakariva ny fanendrena teôkratika izy mivady. Na izany aza, dia nanampoka azy ny fanasana ho tonga mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela tany amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, New York, Etazonia, tamin’ny 1977. Hanjary ho anisan’ny Fitambara-mpitantana ny Rahalahy Poetzinger!

Nasaina hitoetra tao amin’ny Betela tany Wiesbaden izy mivady, mandra-pahazony ireo taratasy hahazoany hipetraka any Etazonia. Nanjary ela kokoa tsy araka ny nampoiziny ilay fiandrasany, satria niitatra volana maromaro. Raha mbola namelona indray ny fahaizany teny anglisy i Martin, i Gertrud vadiny kosa dia navitrika erỳ nianatra io fiteny io koa. Tsy asa mora ny fianarana fiteny vaovao ho an’ny vehivavy iray 65 taona. Tsy nampaninona azy mivady anefa ny nanao ezaka, na inona izany na inona, raha mbola ho an’ny fanompoana an’i Jehovah koa!

Faly erỳ ny maromaro tamin’ny mpianakavin’ny Betela tany Wiesbaden izay nahay niteny anglisy, nanampy an’i Martin sy i Gertrud hianatra ilay fiteny. Isaky ny kivy be i Gertrud teo am-pianarana teny anglisy, dia nankahery azy tamin-katsaram-panahy toy izao ny vadiny: “Alao mora fotsiny, ry Gertrud a.” Tsy mba ‘naka mora’ izany mihitsy anefa i Gertrud. Nampiavaka ny fiainana manontolo nanompoany an’i Jehovah ny fanoloran-tenany sy ny fahatapahan-keviny tamin’ny fanahy manontolo. Tamin’izany toe-tsaina izany ihany koa no nilofosany tamin’ny fianarana teny anglisy, ary tamin’ny Novambra 1978, raha vantany vao voaray ny fahazoan-dalana hipetraka maharitra tany Etazonia, dia niaraka tamin’ny vadiny nankany Brooklyn izy.

Marina fa sady faly no nalahelo ireo rahalahy teto Alemaina rehefa lasa izy mivady, kanefa niara-paly taminy koa noho ilay tombontsoam-panompoana vaovao. Nihetsi-po lalina koa ireo rahalahy, rehefa nandre, tokony ho folo taona tatỳ aoriana, fa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany i Martin ny 16 Jona 1988, teo amin’ny faha-83 taonany.

Niverina teto Alemaina i Gertrud, taorian’ny nahafatesan’ny vadiny, ary mpianakavin’ny Betela izy eto. Mbola tsy ‘maka mora’ ihany izy. Ary miharihary fa tsy hanao izany na oviana na oviana izy. Ankoatra ny fiantsorohana ny asa nanendrena azy ato amin’ny Betela, dia matetika i Gertrud no mampiasa ny vakansiny mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. (Raha ta hahafantatra misimisy kokoa momba an-dry Poetzinger, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1971; 1 Febroary 1985; ary 15 Desambra 1988.)

Manome izay ilaina maneran-tany ireo sekoly manokana

Nanomboka tamin’ny 1978, tsy ela taorian’ny niaingan-dry Poetzinger nankany Brooklyn, dia natao ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, izay fampiofanana mahasoa maharitra folo andro, mba hanatanjahana ireo mpisava lalana eto Alemaina. Atao isan-taona any amin’ireo fizaran-tany manerana an’i Alemaina ilay sekoly. Asaina hanatrika io sekoly io ireo mpisava lalana rehetra hatramin’ny herintaona, fara fahakeliny, sady mbola tsy nanatrika teo aloha. Hatreo am-piandohan’ny taona 1998, dia nisy 16 812 no nanatrika ilay sekoly. Tsy tamin’ny teny alemà ihany no nanaovana ireo fianarana fa tamin’ny teny anglisy, espaniola, frantsay, grika, italianina, poloney, portogey, rosianina, serba-kroaty, ary tiorka koa.

Tonga nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ny sasany, na dia niatrika tarehin-javatra tena sarotra aza. Herinandro mahery kely sisa tsy hanatrehan’i Christine Amos ilay sekoly, dia maty tamin’ny lozam-piarakodia ny zanany lahy, teny am-podiana avy namonjy fivoriana. Handray soa avy tamin’ilay sekoly ve izy, tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Hanao ahoana ny vadiny, raha ilaozana irery ao an-trano mandritra io fotoana io? Nanapa-kevitra izy mivady fa tokony hanatrika ilay sekoly i Christine, satria ho fitahiana ho azy raha revo amin-javatra ara-panahy ny sainy. Nasaina hiasa tato amin’ny Betela ny vadiny, nandritra io fotoana io. Fotoana fohy taorian’izay, dia nasaina handray anjara tamin’ny asa fanorenana teto Selters izy mivady. Rehefa vita izany, dia nandray anjara tamin’ny tetik’asa fanorenana tany Gresy sy Espaina ary Zimbabwe izy mivady. Ary miara-manao ny asan’ny mpisava lalana indray izy mivady izao eto Alemaina.

Anisan’ireo izay nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ireo afaka nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana ho anton’asany, izay hitany ho fanamby tsy an-kijanona sady mahafa-po lalina. Hoy i Inge Korth, izay mpisava lalana hatramin’ny 1958: “Manolotra fahafahana manokana hanehoako ny fitiavako sy ny fankasitrahako lalina an’i Jehovah isan’andro ny fanompoana manontolo andro.” Hoy koa i Waldtraut Gann, izay nanomboka nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana tamin’ny 1959: “Fiarovana amin’ity fandehan-javatra ratsy ity ny fanompoan’ny mpisava lalana. Mitondra fahasambarana marina sy fahafaham-po anaty ny fahatsapana ny fanampian’ny tanan’i Jehovah. Tsy misy fananana sarobidy ara-nofo azo ampitahaina amin’izany.” Hoy koa i Martina Schaks, izay mpisava lalana miaraka amin’ny vadiny: “ ‘Sekolin’ny fiainana’ ny fanompoan’ny mpisava lalana, satria manampy ahy hamboly toetra sasany, toy ny fifehezan-tena sy ny faharetana. Mahatsiaro ho tena akaiky an’i Jehovah sy ny fandaminany aho amin’ny maha mpisava lalana ahy.” Ho an’ny hafa, ny fanompoan’ny mpisava lalana dia dingana ho amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela, ny asa misionera, na ny asan’ny fizaran-tany.

Naorina teto Alemaina ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada tamin’ny 1981, mba hanomezana misionera maro kokoa izay nilaina maika, ary koa mba hahafahan’ny mpisava lalana miteny alemà hanaraka io fianarana tsara dia tsara io. Koa satria mbola tsy vita ireo tranon’ny Betela vaovao teto Selters, dia natao tany Wiesbaden ny kilasy roa voalohany. Taorian’ny nifindrana teto Selters, dia nisy kilasy telo natao teto. Mpianatra miteny alemà avy tatsy Luxembourg, Soisa, sy Holandy, ankoatra ny mpianatra 100 avy teto Alemaina, no nanatrika ireo kilasy dimy ireo. Rehefa nahazo diplaoma ireo mpianatra, dia naely ho any amin’ny tany hafa 24, tamin’ny fitambarany, anisan’izany ireo toerana any Afrika, Amerika Latina, Eoropa Atsinanana, sy Pasifika.

Hatreo amin’ny taona 1974, dia mpanompo manontolo andro 183 avy teto Alemaina no nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Tafakatra ho 368 io isa io tamin’ny faramparan’ny taona 1996, noho ny fisian’ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada. Nahafinaritra erỳ ny nahafantatra fa mbola misionera any amin’ny faritany any ivelany nanendrena azy ny antsasany eo ho eo amin’ireo mpianatra ireo, tamin’ny Janoary 1997! Anisan’izany i Paul Engler, izay any Tailandy hatramin’ny 1954; i Günter Buschbeck, izay nanompo tany Espaina nanomboka tamin’ny 1962, mandra-panendry azy hankany Aotrisy tamin’ny 1980; i Karl Sömisch, izay nanompo tany Indonezia sy Moyen-Orient, talohan’ny namindrana azy tany Kenya; i Manfred Tonak, izay nasaina hanampy tao amin’ny sampan’i Etiopia, taorian’ny nanompoany tany Kenya; ary i Margarita Königer, izay tonga tany Madagasikara, Kenya, Bénin, sy Burkina Faso nandritra ireo 32 taona lasa naha misionera azy.

Misy sekoly hafa koa anefa, dia ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ho an’ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana tsy manambady. Efa natao tsy tapaka teto Alemaina nanomboka tamin’ny 1991 izy io. Nisy rahalahy miteny alemà avy tatsy Aotrisy, Belzika, Danemark, Holandy, Hongria, Luxembourg, Repoblika Tseky, ary Soisa, nanatevin-daharana ireo rahalahy avy teto Alemaina mba hanaraka io fampiofanana faran’izay tsara omen’ilay sekoly io. Ary rehefa nahazo diplaoma ireo mpianatra, ny sasany dia nahazo andraikitra fanampiny ka nalefa nankany Afrika, Eoropa Atsinanana, ary nankany amin’ny toeran-kafa nilana fanampiana manokana.

Hita koa fa tena “sekoly”, raha ny marina, ny Trano Betela sy ny fanontam-pirinty eto Selters, izay nahazoan’ireo rahalahy fampiofanana mba hanomezana izay ilaina, rehefa nisokatra ny asa fitoriana tatsy Eoropa Atsinanana. Ny fiainana tato amin’ny Betela dia nampianatra azy ireo hiara-miasa amin’ny karazan’olona rehetra sy hahatakatra fa afaka mampiasa ny karazan’olona rehetra i Jehovah, na dia tsy lavorary aza ireo olona ireo, mba hamitana ny asany. Nanjary takatr’ireo rahalahy niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana fa azo vahana foana ny olana, amin’ny fampiharana hatrany ny foto-pitsipiky ny Baiboly sy amin’ny fanarahana amim-pitandremana ireo toromariky ny Fitambara-mpitantana. Ny nampianatra azy ireo dia rahalahy izay nanohy naneho ny vokatry ny fanahy sy nampiseho fihetsika voalanjalanja ary nitoky tanteraka tamin’i Jehovah, na dia niharan’ny fanerena lehibe aza. Izany ka lesona sarobidy azon’izy ireo zaraina amin’ny rahalahiny any amin’ny sampana hafa!

Fandresena sakana iray amin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fitiavana

Nandritra ny folo taona farany, dia nisy fandaharam-pampiofanana natao maneran-tany mba hanamafisana ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tapa-kevitra hankato ny fandraran’ny Baiboly tsy hampiasa ra. (Asa. 15:28, 29). Tafiditra tamin’izany ny fandresena sakana lehibe, dia ny fitsarana an-tendrony sy ny fanazavana diso. Nampidirina teto Alemaina àry ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly tamin’ny 1990, mifandray amin’io fandaharana io. Tamin’ny volana Novambra tamin’io taona io, dia nisy seminera iray natao teto Alemaina. Rahalahy niisa 427, izay avy teto Alemaina ihany ny ankamaroany, fa ny sisa avy tany amin’ny firenena sivy hafa, no nanatrika azy io. Nanamafy ny fatoram-pirahalahiana iraisam-pirenena izany. Nankasitraka indrindra ilay fanampiana azony ireo loholona. Hoy ny fanamarihan’ny loholona iray avy any Mannheim: “Voaofana izahay hanazava ny hevitray, ka ho hentitra sy haneho fanajana mifanentana amin’izany, kanefa tsy ho voafatotry ny tahotra.” Hoy ny loholona iray avy any Aotrisy: “Ny tenako dia mbola tsy nanatrika mihitsy seminera izay namelabelarana fanazavana maro be toy izany, tamin’ny fomba tsotra sy mazava toy izany.”

Nanomboka tamin’izay, dia nisy seminera hafa maromaro natao mba hampiofanana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly 55, izay naorina teto Alemaina mba hikarakarana izay ilain’ny Vavolombelona, raha ny amin’ny fitsaboana tsy misy fampidiran-dra. Nitondra vokany tsara ny asan’ireo komity ireo. Tamin’ny Aogositra 1998, dia dokotera maherin’ny 3 560 manerana an’i Alemaina no nilaza fa vonona hiara-miasa amin’ny Vavolombelona, ka tsy hampiasa ra rehefa mitsabo azy ireo. Anisan’ireo dokotera ireo ny ampahefatry ny dokotera nolazain’ny gazetiboky Focus, taona maromaro lasa izay, fa “dokotera 1 000 mahay indrindra eto Alemaina”.

Tamin’ny Janoary 1996, dia nanomboka nizara ilay boky hoe Fikarakarana Fianakaviana sy Fitsaboana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay natao ho amin-java-kendrena manokana, ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. (Mirakitra fanazavana momba ny fomba fitsaboana tsy ampiasana ra io boky tsara tarehy io, izay natao hampiasain’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny tompon’andraikitra ara-pitsaboana ihany. Nisy ezaka nifarimbonana mba hametrahana azy io teo am-pelatanan’ny mpitsara, ny mpanao asa sosialy, ny mpitsabo ny zaza vao teraka, sy ny dokoteran-jaza.) Naneho ny fankasitrahany ny ankamaroan’ny mpitsara, izay matetika no nilaza fa tsara dia tsara ilay boky sady mahasoa. Maro no gaga rehefa nahafantatra fa be dia be ireo fomba fitsaboana tsy ampiasana ra ho an’ny olona tsy manaiky fampidiran-dra. Hoy ny mpitsara iray any Nördlingen: “Ity indrindra no ilaiko.” Nampiasa ny fanazavana ao amin’io boky io ny profesora iray ao amin’ny Oniversiten’i Saarland mba ho fototry ny fiaraha-midinika sy ny fanadinana an-tsoratra iray ho an’ny antokon’olona nanaraka fianarana efa lasa lavitra momba ny lalàna sivily.

Koa satria misy maneran-tany ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ankehitriny, dia azo atao ny miara-miasa amin’ny rahalahy any amin’ny firenen-kafa, amin’ny toe-javatra maika. Nanamora ny fahazoana fanafody sasany sy ny fandefasana azy avy teto Alemaina ny fifandraisantsika iraisam-pirenena, rehefa tsy nisy ireo fanafody nosoratan’ny dokotera ireo tao amin’ny tany nisy ilay marary. Ankoatra izany, dia natao izay hampifandraisana rahalahy sy anabavy avy tany amin’ny tany maromaro, tamin’ny dokotera teto Alemaina izay vonona hiara-miasa amin’ny Vavolombelona. Natao izany mba hahazoana fitsaboana toy izany araka izay takatry ny volan’ireo rahalahy.

Mazava ho azy fa mandray soa avy amin’io fiaraha-miasa iraisam-pirenena io koa ireo rahalahy eto Alemaina. Tamin’ny 1995, dia tra-doza teny an-dalana ho any Norvezy ny anabavy iray ka nampidirina hopitaly. Nampahafantarina izany ny zanany lahy teto Alemaina izay nangataka avy hatrany ny fanampian’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly. Ilay sampan’asa indray avy eo no nampahafantatra ny biraon’ny sampan’i Norvezy. Ny ampitson’iny dia nisy Vavolombelona norvezianina iray nitsidika ilay anabavy. Nandeha 130 kilaometatra tamin’ny fiarakodia io Vavolombelona io mba haka vehivavy liana iray miteny alemà, mba hahafahany hanampy bebe kokoa. Naneho ny fankasitrahany ilay zanakalahy tatỳ aoriana, ka nanoratra hoe: “Izany ka fandaminana! Fitiavana re izany! (...) Matetika no tsy ampy ny teny hilazana izay tsapan’ny tena. Tena tsy manam-paharoa tokoa ny fisehoan-javatra toy izany.”

Tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fitiavana àry no nahavitana fandrosoana lehibe teo amin’ny fandresena sakana goavana iray taloha. Taloha kelin’izany, dia nisy sakana hafa koa voaesotra.

Tampoka teo, nianjera ny Rindrin’i Berlin!

Nahazendana an’izao tontolo izao ilay fisehoan-javatra tampoka! Nijery tao amin’ny televiziona ny olona naneran-tany. Olona an’arivony maro no nanao fety be tao Berlin. Voaesotra ilay sakana nampisaraka ny Atsinanana sy ny Andrefana. Ny 9 Novambra 1989 tamin’izay.

Maherin’ny 25 taona talohan’izay, ny marainan’ny 13 Aogositra 1961, dia ankona ireo mponin’i Berlin nahita izay nataon’ny manam-pahefan’i Berlin Atsinanana. Nanangana rindrina iray nampisaraka ny faritra nofehezin’ny Kôminista sy ny tapany sisa amin’ilay tanàna izy ireo. Voazara ara-bakiteny ho atsinanana sy andrefana i Berlin, ka nampiseho taratr’izay nitranga teo amin’ireo firenen’i Alemaina Atsinanana sy Andrefana izany. Angamba mbola nampangitakitaka kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny hoe nanjary mariky ny fifandrafian’ny ngeza roa tonta nandritra ny Ady Mangatsiaka ny Rindrin’i Berlin.

Avy eo, tamin’ny 12 Jona 1987, roa taona mahery tsy hitrangan’ireo fisehoan-javatra nahagaga tamin’ny 1989, dia nanao izao fangatahana izao i Ronald Reagan, filoham-pirenena amerikanina, izay nahatazana ny Vavahady Brandenbourg sady niamboho ny Rindrin’i Berlin: “Atoa Gorbatchev, mba sokafy io vavahady io. Atoa Gorbatchev, mba arodano io Rindrina io.” Nisy soritra nahitana anefa ve fa hekena ny fangatahany? Kobaka am-bava fotsiny tamin’ilay Ady Mangatsiaka ve izany? Toa izany no fahitana azy. Efa teo am-piandohan’ny taona 1989, toy ny hoe ho valin’ilay fangatahana, dia nilaza i Erich Honecker, mpitondra tatsy Alemaina Atsinanana, fa “mbola ho eo foana mandritra ny 50 taona, ary koa mandritra ny 100 taona”, ilay Rindrina.

Tampoka tsy nampoizina mihitsy anefa, nisokatra ny Vavahady Brandenbourg, ary nirodana ny Rindrin’i Berlin. Tsaroan’ny Betelita iray eto Selters fa nanatrika fivorian’ny kôngregasiôna izy ny takarivan’ny alakamisy 9 Novambra, ary nandefa ny televiziona rehefa tonga tao an-trano mba hanaraka ny vaovao hariva. Tsy nino izay hitany izy teo am-panarahana ireo tatitra hoe nosokafana ny sisin-tany nampisaraka an’i Berlin Atsinanana sy Andrefana. Sambany vao niditra tamin-kalalahana nankao Berlin Andrefana ireo mponin’i Berlin Atsinanana, rehefa afaka 27 taona! Saika tsy nino izay hitany izy: fiarakodia niampita ny sisin-tany sady nampaneno klaxon ho mariky ny haravoana, raha mbola nisy mponin’i Berlin Andrefana nihamaro hatrany — ny sasany aza nifoha avy teo am-pandriana — namonjy ilay sisin-tany, ka nilahatra nanaraka ny arabe mba hamihina ireo mpitsidika tsy nampoizina. Nikoriana tsy tana ny ranomasom-pifaliana. Nianjera ilay rindrina, tao anatin’ny indray alina ara-bakiteny!

Nandritra ny 24 ora taorian’izay, dia nalai-niala teo anoloan’ny televizionany ny olona naneran-tany. Teo am-pivoarana ny tantara. Hidika ho inona ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina izany? Hidika ho inona ho an’ny Vavolombelona naneran-tany izany?

Tonga nitsidika ny Trabi

Ny asabotsy maraina taorian’izay, taloha kelin’ny tamin’ny valo, dia namonjy fiasana teto Selters ny rahalahy iray tato amin’ny Betela. Tamin’izay izy no nifanena tamin’i Karlheinz Hartkopf, mpianakavin’ny Betela iray izay manompo any Hongria ankehitriny. Nientanentana erỳ izy niteny hoe: “Azoko antoka fa tsy ho ela akory dia ho tonga eto Selters ny rahalahy voalohany avy atsy Alemaina Atsinanana!” Hoy ny navalin’ny Rahalahy Hartkopf, tsy taitra akory sady tsy niolakolaka toy ny mahazatra: “Efa eto ry zareo.” Raha ny marina, vao maraina be, dia nisy rahalahy roa nitaingina fiarakodia Trabi tonga avy tatsy Alemaina Atsinanana. Nijanona teo ivelan’ny vavahadin’ny Betela izy mirahalahy, niandry ny ora fidirana.

Niely haingana tato amin’ny Betela ilay vaovao. Mpitsidika tsy nampoizina, saingy noraisina an-tanan-droa, izy mirahalahy ireo. Tsy mba afaka nahita na niarahaba azy ireo akory anefa ny rehetra, dia efa lasa niverina nankany Alemaina Atsinanana izy mirahalahy, ny fiarakodiany amin’izany feno zavatra vita an-tsoratra. Na dia mbola voararan’ny fanjakana tany aza ny zavatra vita an-tsoratra sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanome herim-po vaovao ho an’ireo rahalahy ilay fientanentanana tamin’izay fotoana izay. “Tsy maintsy tafaverina amin’ny fivoriana rahampitso maraina izahay”, hoy ny fanazavan’izy mirahalahy. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ny kôngregasiôna rehefa tonga izy mirahalahy, nitondra baoritra feno zavatra vita an-tsoratra, izay tsy nahazoana afa-tsy vitsy dia vitsy, nandritra ny fotoana ela aoka izany!

Tao anatin’ireo herinandro vitsivitsy nanaraka izany, dia Alemà tatsinanana an’arivony maro no nirohotra niampita ny sisin-tany nankatỳ Alemaina Andrefana, ary sambany teo amin’ny fiainany vao nanao izany ny ankamaroan’izy ireo. Hita mihitsy fa faly erỳ izy ireo afaka nivezivezy toy izany, rehefa ela ny ela. Maro ny avy teto Alemaina Andrefana no nikopakopaka azy ireo teo amin’ny sisin-tany. Tonga teo koa ny Vavolombelon’i Jehovah, niarahaba ireo mpitsidika, saingy tsy fanehoana fihetseham-po etỳ ivelany fotsiny no nataony. Nizara maimaim-poana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ireo mpitsidika avy tatsy Atsinanana izy ireo.

Tao amin’ny tanàna sasany teo amin’ilay sisin-tany, dia nanao ezaka manokana ireo kôngregasiôna mba hanatonana ireo mpitsidika avy tatsy Alemaina Atsinanana. Koa satria voarara nandritra ny am-polony taona maro ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah, dia olona maro no tsy nahafantatra firy azy ireny, na tsy nahafantatra mihitsy. Nanjary fanaon’ny mpitory tamin’izay ny nitory “isaky ny Trabi”, fa tsy isan-trano. Dodona ny olona hamotopototra momba izay rehetra nety ho zava-baovao, anisan’izany ny fivavahana. Nilaza toy izao fotsiny ny mpitory, tamin’ny toe-javatra sasany: “Azo inoana fa mbola tsy namaky ireto gazety roa ireto mihitsy ianao, satria voarara tao amin’ny taninareo izy ireto, nandritra ny efa ho 40 taona.” Izao no valin-teny re matetika: “Matoa voarara izy ireto, dia tsy maintsy ho tsara. Omeo ahy ireto.” Nisy mpitory roa tao amin’ny tanànan’i Hof teo amin’ilay sisin-tany, nahapetraka gazety 1 000 avy, tao anatin’ny iray volana. Tsy mahagaga raha lany vetivety ny tahirin-gazety tao amin’ireo kôngregasiôna teo an-toerana sy teny amin’ny manodidina.

Tetsy an-danin’izany, dia nankafy ilay fahalalahana vao azony ireo rahalahy tatsy Alemaina Atsinanana, na dia somary malina ihany aza izy ireo teo am-boalohany. Izao no tsaroan’i Wilfried Schröter, izay nianatra ny fahamarinana tamin’ny 1972, tao anatin’ilay fandrarana: “Tao anatin’ireo andro vitsy voalohany taorian’ny nianjeran’ilay rindrina, dia ara-dalàna raha somary natahotra ihany izahay sao nety hivadika tampoka ny toe-javatra.” Nanatrika fivoriambe iray tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tao Berlin izy, tsy ampy roa volana tatỳ aoriana. Izao no notantarainy momba ilay fivoriambe, tatỳ aoriana: “Dibo-kafaliana tsotra izao aho fa afaka niaraka tamin’ny rahalahy maro be aoka izany. Nanganohano ny ranomasoko teo am-pihiranay ireo hiran’ilay Fanjakana, ary toy izany koa ny maro hafa. Safononoky ny hafaliana aho fa ny tenako mihitsy no nanatrika fivoriambe.”

Velom-pankasitrahana toy izany koa i Manfred Tamme. Nandritra ilay fandrarana, dia kely ny fivoriana, ary tsy nilaina ny fanamafisam-peo. Hoy anefa izy izao: “Na dia mpisava lalana manokana hatramin’ny 30 taona mahery aza aho, dia sambany teo amin’ny fiainako aho vao nampiasa mikrô. Mbola tsaroako ihany fa nihorohoro aho nandre ny feoko avy teo amin’ny fanamafisam-peo.” Na dia izany aza, dia “nahafinaritra be ny tafaraka tampoka tamin’ny kôngregasiôna manontolo tao amin’ny efitrano iray nohofana”, hoy izy.

Ary nahafaly koa ny nandre feo hafa, toy ilay ren’i Manfred, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy ny notantarainy: “Tamin’ny Janoary 1990, dia tao amin’ny sauna [fandroana amin’ny eton-drano mafana] iray aho mba hitsabo tena. Nihaona tamiko tao ny lehilahy iray izay iraky ny Polisim-pirenena taloha. Niresadresaka tamim-pisakaizana teo izahay, ary dia hoy izy: ‘Tsapako izao, ry Manfred, fa niady tamin’ny olona tsy tokony ho niadianay izahay.’ ”

Sakafo ara-panahy tondraka!

“Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” Samy mahafantatra tsara io fahamarinana fototra notononin’i Jesosy Kristy avy tao amin’ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry io, ny Vavolombelon’i Jehovah hatraiza hatraiza. (Matio 4:4; Deot. 8:3). Na dia nandritra ilay fandrarana aza, dia nahazo sakafo ara-panahy ihany ny Vavolombelona tatsy Alemaina Atsinanana, saingy voafetra. Noho ny fanampiana tamim-pitiavan’ny fianakavian’ny mpirahalahy avy tamin’ny firenena samy hafa no nahazoan’izy ireo izany. Niriny mafy erỳ ny hahazo tamin’ny sakafo ara-panahy tondraka noraisin’ny rahalahiny tany an-tany hafa!

Raha vantany vao nianjera ny Rindrin’i Berlin, dia nisy Vavolombelona nanomboka naka zavatra vita an-tsoratra ka nitondra izany nankatsy Alemaina Atsinanana. Nekena tamin’ny fomba ofisialy ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy amin’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina, tamin’ny 14 Martsa 1990, tokony ho efa-bolana tatỳ aoriana. Afaka nandefa zavatra vita an-tsoratra mivantana izao ny Fikambanana. Ny 30 Martsa, dia nisy kamiao iray nitondra sakafo ara-panahy 25 taonina, nivoaka teto Selters ka nitodi-doha niantsinanana. Hoy ny fanamarihan’ny 1991 Britannica Book of the Year, tatỳ aoriana: “Tao anatin’ny roa volana monja, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watchtower any Alemaina Andrefana dia nandefa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nilanja 275 taonina, ary koa Baiboly 115 000, nankany Alemaina Atsinanana fotsiny.”

Tokony ho tamin’izany fotoana izany no nanoratan’ny rahalahy iray avy tany Leipzig tamin’ny Vavolombelona iray teto Alemaina Andrefana, ka hoy izy: “Tamin’ny herinandro lasa, dia mbola nanafatra tamim-piafenana sakafo [ara-panahy] kelikely izahay; tsy ho ela anefa izahay dia hampidina efatra taonina avy ao amin’ny kamiao iray!”

“Tonga aloha loatra ny zavatra vita an-tsoratra nalefa voalohany, hany ka zara raha vonona izahay”, hoy ny tsaroan’i Heinz Görlach, avy any Chemnitz. “Rehefa tonga ny entana voalohany, dia sahirana aho nankeo am-pandriako, satria feno baoritra ny efitra fatoriako. Toy ny hoe natory tao anatin’ny efitra firaketana harena no nahatsapako ny tenako.”

Fisehoan-javatra vaovao izany ho an’ireo tsy nahazo hatramin’ny ela be ny zavatra izay ara-dalàna tamin’ny Vavolombelona tao anatin’ny fahalalahana. Nahita kely an’izany koa ny rahalahy teto Selters. Hoy ny fitantaran’ny mpiandraikitra iray tao amin’ny fanontam-pirinty: “Nisy rahalahy zokiolona iray, tsotsotra fitafy, nijoro teo sady nijery ny milina iray fanontam-pirinty. Efa lasa nandroso ny antoko-mpitsidika niarahany, saingy mbola nijanonjanona teo ihany izy, lasa eritreritra be teo am-pijerena ny fitosahan’ireo gazety faran’izay haingana avy tao amin’ilay milina. Nanganohano ny ranomasony teo am-panatonana ny rahalahy iray; hita fa nihetsi-po lalina izy. Niezaka hilaza zavatra tamin’ny teny alemà kely izay hainy izy, nefa nila tsy hahaloa-peo. Takatray anefa ny antony nitsikiany, rehefa namoaka ravin-taratasy vitsivitsy avy tao amin’ny paosy anatin’ny palitaony izy, ka nanolotra anay ilay izy, ary dia lasa haingana. Inona àry ilay zavatra nomeny anay? Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny rosianina efa mila ho tsy hay vakina, izay natao kopia tanana teo amin’ny ravin-kahie. Fotoana toy inona no lany nanaovana io kopian’ny gazety io? Sarotra ho anay ny hamantatra izany, saingy azo antoka fa naharitra ela be noho ny ampahan-tsegondra namokaranay gazety iray tamin’ilay milina.”

Tsy voatery nianina intsony tamin’ny gazety vitsivitsy natao sora-pirinty madinika na natao kopia tanana, izay tsy azo notazonina afa-tsy andro vitsivitsy monja, ny Vavolombelona tao amin’ny groupe fianarana tsirairay. Samy nanana ny gazetiny misy sary miloko izao ny rehetra, ary mbola manana gazety fanampiny koa aza mba hampiasaina amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.

Nizatra nanao fanompoam-pivavahana an-karihary izy ireo

Nitondra zava-tsarotra koa ny fahazoana fahalalahana bebe kokoa. Nitaky herim-po ny fitoriana nandritra ny fandraran’ny fitondram-panjakana, ary nampianatra an’ireo mpitory koa mba hiantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Rehefa nesorina anefa ilay fandrarana, dia hoy i Ralf Schwarz, loholona kristianina iray any Limbach-Oberfrohna: “Tsy maintsy nitandrina bebe kokoa izahay mba tsy ho voavilin’ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fanahiana momba ny fiainana.” Tamin’ny toe-javatra sasany, rehefa nampidirina tao amin’ny Repoblika Federaly i Alemaina Atsinanana tamin’ny Oktobra 1990, dia nisy fianakaviana Vavolombelona tatsy Atsinanana, nifindra nankao amin’ny faritanàna tsotsotra kokoa. Nanao izany izy ireo mba hahafahany handoa ny hofan-trano, fa tsy ho voatery hiasa amboniny, ka tsy hahavonjy fivoriana, rehefa niakatra ny hofan-trano. — Matio 6:22, 24.

Na dia nandritra ireo taon-tsarotra teo ambany fitondrana kôminista aza, dia nanohy nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ireo rahalahy. Nandeha isan-trano mihitsy aza izy ireo, saingy tamim-pahamalinana, angamba nitsidika trano iray tao anatin’ny fitambaran-trano iray, ary avy eo dia namonjy fitambaran-trano hafa mba hitsidihana trano iray hafa. Nanao izany ny sasany, na dia loza nandrahona indrindra aza ny fampidirana am-ponja. Nanazava ny fiovana sasany natrehin’izy ireo ankehitriny i Martin Jahn, izay 11 taona monja fony nampiharina ny didy momba ilay fandrarana. Hoy izy: “Voatery niasana indray ny faritany rehetra mba hahafahan’ny mpitory hamita ny trano rehetra. Zatra ilay fanao taloha, dia ny fitsidihana trano na rihana sasantsasany fotsiny, izahay. Toy izany no nahazatra anay hatramin’ny ela be, hany ka tsy maintsy naneho faharetana tamin’ireo izay sahirana nizatra tamin’ilay fomba fiasa vaovao izahay. Tsy nampindrana zavatra vita an-tsoratra intsony izahay, fa nametraka izany, ka zava-baovao tamin’ny mpitory sy ny olona liana izany. Koa satria zatra ilay fomba taloha izahay, indraindray dia maro kokoa noho ny teo am-panombohana ny zavatra vita an-tsoratra tao an-kitapon’ny mpitory, rehefa vita ny fanompoana teny amin’ny saha.”

Niova koa ny fihetsiky ny olona. Nandritra ireo taona naharetan’ilay fandrarana, dia olona maro no nihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ho mahery fo, satria nanana herim-po hiarovana ny zavatra nitompoany. Nahatonga ny olona hanaja azy izany. Rehefa nahazo fahalalahana bebe kokoa ny Vavolombelona, dia olona maro no nandray tsara azy ireo tamin-kafanam-po. Tato anatin’ny taona vitsivitsy anefa, dia niova ny toe-javatra. Nanjary revo aoka izany tamin’ny fomba fiaina ao anatin’ny fanalalahana ny varotra ny olona. Nanomboka nihevitra ny fitsidihan’ny Vavolombelona ho nanelingelina ny fiadanany sy ny filaminany, eny, ho nanorisory mihitsy aza, ny sasany.

Nilana herim-po ny fitoriana tao anatin’ny fandrarana. Nitaky fahatapahan-kevitra toy izany koa anefa ny nizatra tamin’ilay tarehin-javatra vaovao. Hoy ny mpiandraikitra iray tao amin’ny tany iray atỳ Eoropa Andrefana izay nandrarana ny asa hatramin’ny ela be: “Mora kokoa ny mitory ao anatin’ny fandrarana noho ny mitory ao anatin’ny fahalalahana.” Raha ny marina, dia Vavolombelona maro no miombon-kevitra aminy.

Tsy nampiadana ny asa ny fanoherana

Na dia nahazo hery vao indray hitoriana ny vaovao tsara aza ny Vavolombelona tatsy Alemaina Atsinanana, dia tsy nanahy firy ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, teo am-boalohany. Rehefa niharihary anefa fa tena nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa ny olona, dia nihasorena ny mpitondra fivavahana. Araka ny tatitra nataon’ny Deutsches Allgemeines Sonntagsblatt, dia nilaza ny mpitondra fivavahana iray avy any Dresde izay nihevi-tena ho manam-pahaizana momba ny fivavahana, hoe “toy ny Antoko Kôminista ny Vavolombelon’i Jehovah”. Tsy nilaza intsony àry ny mpitondra fivavahana hoe mpitsikilon’ny Amerikanina nanohitra ny Kôminisma ny Vavolombelona, araka ny nataony nandritra ireo taona 1950, fa nitady hampifandray ny Vavolombelona tamin’ny Kôminista indray izy ireo. Mazava ho azy fa fantatry ny olona ny nandraran’ny fitondram-panjakana kôminista ny asan’ny Vavolombelona nandritra ny 40 taona, koa takany fa fanasoketana izany.

Inona no zava-nokendren’ny mpitondra fivavahana? Nantenainy fa horarana indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny tamin’ny andron’ny Nazia sy teo ambany fitondrana kôminista koa. Niezaka mafy hisakana ny hahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fahalalahana arovan’ny lalàm-panorenana ireo antokom-pivavahana izay notohanan’ny mpivadi-pinoana. Na dia izany aza, dia nanararaotra tamin’ny fomba feno ny fahafahana hitory ny Vavolombelona, araka ny nandidian’i Jesosy Kristy. — Marka 13:10.

Ny sasany izay nanaiky ny fahamarinana

Anisan’ireo nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny sasany izay revo tanteraka tamin’ity tontolo tranainy ity. Polisy tatsy Alemaina Atsinanana nandritra ny 38 taona i Egon. Tsy faly velively izy rehefa nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Niaiky volana anefa izy nahita fa sariaka sy be fitiavana ary nanaraka fitsipika ny Vavolombelona. Nampiaiky volana azy koa ireo lahatsoratra tonga tamin’ny fotoana nilana azy tao amin’ny Mifohaza!, izay naterin’izy ireo matetika tao an-tranony. Tonga nanatrika fivoriambe manokana iray andro niaraka tamin’ny vadiny izy indray mandeha, ary taitra be rehefa nifanehatra tamin’ny rahalahy iray nosamboriny taloha. Tsy sarotra ny maka sary an-tsaina izay tsapany: tsy azoazony ny ainy, ary nahatsiaro ho meloka mihitsy aza izy. Na dia teo aza ny zava-nitranga tamin’ny lasa, dia nanjary mpinamana izy mirahalahy. Vavolombelona vita batisa i Egon mivady ankehitriny.

Nandritra ny 19 taona, dia tao amin’ny Sampan’asa Miadidy ny Filaminam-pirenena i Günter, ary nisondrotra ho komandà izy. Kivy sy diso fanantenana noho ny nirodanan’ilay rafi-pitondrana nandaniany ny heriny hatramin’ny ela aoka izany izy, rehefa nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelona tamin’ny 1991. Nampiaiky volana azy ny fitondran-tenan’izy ireo sy ny fahaizan’izy ireo nahatakatra ny fiheviny sy ny olana nahazo azy. Natomboka àry ny fampianarana Baiboly azy, ary na dia tsy nino an’Andriamanitra aza izy, dia nanjary niaiky tatỳ aoriana fa tena misy Andriamanitra. Vonona ho amin’ny batisa izy tamin’ny 1993. Faly izy ankehitriny manohana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Sady tsy nanam-pinoana an’Andriamanitra ny lehilahy hafa iray no niaiky tanteraka fa ny Kôminisma no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Tsy nenjehin’ny eritreriny mihitsy izy rehefa nitsofoka tao amin’ny fandaminan’i Jehovah mba hahafahany hampita filazalazana momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Sampan’asa Miadidy ny Filaminam-pirenena. “Natao batisa” izy tamin’ny 1978, ary nanana fiainana roa sosona nandritra ny folo taona. Miaiky anefa izy izao hoe: “Ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay hitako mihitsy, sy ny fianarana ny boky Création sy Fanambarana, dia nampiaiky ahy fa tsy marina ny ankabeazan’ny zavatra lazain’ny fahavalony momba ny Vavolombelona. Tena maro be ny porofon’ny fisian’ny Mpamorona.” Fotoana fohy talohan’ny nianjeran’ny Rindrin’i Berlin, dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra sarotra izy: na hitady fialan-tsiny hialana amin’ny vahoakan’i Jehovah ka hanohy hanohana ilay rafi-pitondrana tsy ninoany intsony, na hiaiky fa mpamadika ny tenany ka hiezaka ho tonga tena mpanompon’i Jehovah. Ity farany no nofidiny. Ny fibebahany tamim-pahatsorana dia nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly sy ny fanaovana batisa fanindroany, izay niorina tamin’ny fahalalana araka ny marina sy ny tena fanoloran-tena tamin’ity indray mandeha ity.

Afaka mitantara momba izay nitranga izy ireo izao

Rehefa nesorina ilay fandrarana, dia afaka niresaka tamin-kalalahana kokoa momba ny zavatra nodiaviny teo ambany fitondrana kôminista ny Vavolombelona avy tatsy Atsinanana. Nisy lanonana fitokanana trano fitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah natao tao Berlin ny 7 Desambra 1996. Nandritra io fitokanana io, dia namisavisa ny lasa ny loholona maromaro, izay nandray anjara lehibe tamin’ny fanampiana ny andian’ondry tatsy Alemaina Atsinanana mba hatanjaka ara-panahy hatrany.

Tsaroan’i Wolfgang Meise, izay Vavolombelona hatramin’ny 50 taona, ny zava-nitranga tamin’ny Jona 1951, fony izy 20 taona. Nomelohina higadra efa-taona izy tao amin’ny fitsarana iray namboamboarina fotsiny sy nanaovana laza masaka. Nentina nivoaka ny efitrano fitsarana izy mbamin’ny rahalahy hafa maromaro izay voaheloka koa. Tamin’izay indrindra ny Vavolombelona tokony ho 150 izay nanatrika ilay fitsarana koa, dia nanodidina azy ireo, nifandray tanana taminy, ary nanomboka nihira ny hiran’ilay Fanjakana. Nitsirika teny amin’ny varavarankely rehetra tao amin’ilay efitrano fitsarana ny olona mba hijery izay nitranga. Tsy izany no tian’ny manam-pahefana hotadidin’ny olona. Vita hatreo ny fitsarana namboamboarina fotsiny toy izany ho an’ny Vavolombelona.

Tsaroan’i Egon Ringk fa teo am-piandohan’ilay fandrarana, dia notendrena tamin’ny milina fanoratana ny lahatsoratra tsirairay tamin’ny Tilikambo Fiambenana, ka natao kopia karbônina enina ka hatramin’ny sivy. “Mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ireo kôngregasiôna, dia nanaiky hampiasainay ny rahalahy iray avy tao Berlin Andrefana izay mpitondra kamiao nivezivezy teo Berlin Andrefana sy Alemaina Atsinanana. Nafindra haingana ilay ‘sakafo’ — tao anatin’ny telo na efatra segondra monja — rehefa nafindra fiara koa ny orsa voro-damba lehibe roa nitovy habe. Rehefa tonga tany an-trano izahay, dia ‘nalana ny tao anatin’ny’ kibony mba hijerena hafatra sy fanazavana lehibe momba ny fanendrena vaovao.” — Ampitahao amin’ny Ezekiela 3:3.

Nisy koa fitantarana momba ny herim-po nasehon’ireo iraka nahazo zavatra vita an-tsoratra tao Berlin Andrefana, talohan’ny nananganana ilay rindrina. Nampidirin’izy ireo an-tsokosoko tatsy Alemaina Atsinanana izany. Nety ho tapaka mantsy indray andro any ny lalana nankao Berlin Andrefana. Ny hidinika momba izany indrindra no nanasana rahalahy maromaro avy tatsy Alemaina Atsinanana mba hanatrika fivoriana iray ny 25 Desambra 1960. “Niharihary fa teo ambany fitarihan’i Jehovah izany, satria efa vonona ny fandaminantsika, rehefa natsangana tampoka ilay rindrina ny 13 Aogositra 1961”, hoy ny Rahalahy Meise.

Notantarain’i Hermann Laube fa babo an’ady tany Ekosy ny tenany fony izy nahita voalohany ny fahamarinana. Rehefa nody tatsy Alemaina Atsinanana izy, taorian’ny nampiharana ilay fandrarana, dia hitany fa nila novatsina sakafo ara-panahy betsaka araka izay azo natao ireo rahalahy. Koa nanangana ny fanontam-pirintiny manokana àry ny Vavolombelona, ka nampiasa milina fanontam-pirinty vonjimaika. “Tsy misy ilana azy firy anefa ny milina tsara indrindra, raha tsy misy taratasy”, hoy ny fanamarihan’ny Rahalahy Laube, nahatsiaro ilay andro nilazana taminy fa taratasy hanontana nomerao telo monja sisa no teo am-pelatanan’izy ireo. Inona àry izao no hataon’izy ireo?

Hoy ny Rahalahy Laube nanohy ny teniny: “Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia renay nisy nandondòna teo amin’ny fantson-dranonoran’ny trano. Rahalahy iray avy any Bautzen izy io, ary hoy izy: ‘Ianao moa mpanao pirinty ihany, fa misy horonan-taratasy maromaro fanaovan-gazety ao amin’ny fanariam-pakon’i Bautzen. Ambiny tao amin’ny trano fanontan-gazety ireo horonana ireo, ary kasainy halevina. Azonao ampiasaina ve izy ireo?’ ”

Tsy nangataka andro ireo rahalahy. “Rahalahy maromaro izahay no niaraka ny alin’iny ihany, ary nanainga nankany Bautzen izahay. Hay, tsy horonana vitsivitsy monja ilay izy, fa taratasy efa ho roa taonina! Nila tsy hampino ny hoe nahatatitra ireo taratasy ny fiaranay efa ratsiratsy, kanefa tao anatin’ny fotoana fohy, dia voafindranay avokoa izy rehetra. Tamin’izay dia nanana taratasy ampy izahay, mandra-pahafaky ny Fikambanana nanome anay zavatra vita an-tsoratra natao tamin’ny taratasy manify sy natao sora-pirinty madinika.”

Nitaky fitandremana fatratra ny fitanana ho tsiambaratelo ny anaran’ny olona tsirairay tao amin’ny andian’ondry. Izao no tsaroan’i Rolf Hintermeyer: “Indray mandeha, rehefa avy nihaona tamin’ireo rahalahy aho, dia nosamborina ka nentina tao amin’ny trano iray mba hofotorana. Nanana taratasy maromaro nisy adiresy sy fanazavana hafa aho. Tsy maintsy niakatra tohatra iray niolakolaka izahay rehefa tonga tao. Nahafahako nitelina ireo taratasy izany. Koa satria maro anefa ireo taratasy, dia naharitraritra ihany ny fitelemana azy. Rehefa tonga teo an-tampon’ny tohatra izahay vao tsikaritr’ireo polisy ny zavatra nataoko, ary dia noraisiny teo amin’ny tendako aho. Nataoko teo amin’ny tendako koa ny tanako, ary kendakenda aho niteny hoe: ‘Izay fa voateliko daholo.’ Rehefa nandre izany izy ireo, dia namotsotra ahy, ka izany indray avy eo no nahafahako nitelina tanteraka ireo taratasy izay efa kely kokoa sady mando.”

Tonga tao amin’ny fahamarinana i Horst Schleussner, teo antenatenan’ireo taona 1950, fony faran’izay mafy ny fanenjehana. Koa fantany tsara izay nolazainy tamin’ny hoe: “Azo antoka fa niaro tamim-pitiavana ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra, nandritra ireo efa ho 40 taona nandrarana ny asan’izy ireo.”

Fankalazana fandresena tao Berlin

Tsy maintsy nankalaza ilay fahalalahany ireo rahalahy, rehefa tapitra ilay fotoana namoretan’ny Kôminista azy. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy ireo fa nivelatra teo anoloany izao ny fahafahana hanompo azy tao anatin’ny fahalalahana kokoa. Ambonin’ny zava-drehetra, dia niriny mafy ny haneho tamin’i Jehovah izany fankasitrahany izany tamin’ny alalan’ny fivoriambe iray ho hitan’ny olona rehetra.

Raha vantany vao nianjera ny Rindrin’i Berlin tamin’ny Novambra 1989, dia nanome toromarika ny Fitambara-mpitantana mba hanomanana fivoriambe iraisam-pirenena iray tao Berlin. Najoro haingana ny komity handamina ilay fivoriambe. Ny takarivan’ny 14 Martsa 1990, dia tokony hivory ilay antokon-drahalahy mba hiara-midinika ny amin’ny fomba handaminana ilay fivoriambe. Mbola tsaroan’i Helmut Martin ihany fa i Dietrich Förster, izay voatendry ho mpiandraikitra ny fivoriambe, dia nanasa azy hanambara tamin’ireo rahalahy tafavory teo fa taloha kely tamin’io andro io, dia nekena tamin’ny fomba ofisialy ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Alemaina Atsinanana. Eny, nesorina tamin’ny fomba ofisialy ilay fandrarana!

Koa satria somary tratra aoriana ny fanomanana ilay fivoriambe, dia tsy azo tamin’ny faran’ny herinandro intsony ny Kianja Olympika. Koa tapaka fa hatao ny talata 24 Jolay ka hatramin’ny zoma 27 Jolay ilay fivoriambe. Rehefa tonga ny fotoana hidirana tao, dia tsy nanana afa-tsy iray andro monja ireo rahalahy mba hanomanana ilay toerana, ary tsy nanana afa-tsy ora vitsivitsy monja mba handravana ny zava-drehetra, rehefa vita ilay fivoriambe.

Araka izany, ny alatsinainy 23 Jolay, dia mpiasa an-tsitrapo an-jatony maro no efa tonga tao amin’ilay kianja tamin’ny dimy maraina. Tsaroan’i Gregor Reichart, izay mpianakavin’ny Betela eto Selters, fa “nazoto erỳ ry zareo avy tatsy Alemaina Atsinanana nanao ilay asa, toy ny hoe efa mpanao izany hatramin’ny taona maro izy ireo”. Nomarihin’ny tompon’andraikitry ny kianja tatỳ aoriana fa faly izy, satria “sambany vao mba voadio tanteraka ilay kianja”.

Nisy 9 500 teo ho eo ny avy tatsy Alemaina Atsinanana no nandeha tamin’ny fiarandalamby nohofana 13 mba hamonjena ilay fivoriambe. Ny hafa nandeha tamin’ny aotobisy nohofana 200. Notantarain’ny loholona iray fa rehefa nandamin-javatra momba ny iray tamin’ny fiarandalamby nohofana izy, dia nilaza tamin’ny tompon’andraikitry ny lalamby fa nisy fiarandalamby telo nomanina ho an’ny faritr’i Dresde fotsiny. Nihiratra be ny mason’ilay tompon’andraikitra noho ny hagagany, ary nanontany izy hoe: “Tena misy Vavolombelon’i Jehovah maro be toy izany tokoa ve ao Alemaina Atsinanana ao?”

Efa fivoriambe sahady ny an-dry zareo nandeha tamin’ny fiarandalamby nohofana, raha mbola tsy tonga tao Berlin akory izy ireo. “Nihaona tao amin’ny garan’i Chemnitz izahay mba handeha tamin’ilay fiarandalamby voatokana ho anay”, hoy ny tsaroan’i Harald Pässler, loholona iray avy any Limbach-Oberfrohna. “Tsy ho hay hadinoina ilay dia nankany Berlin. Taorian’ny fandrarana an-taonany maro, izay nanohizanay ny asanay tamim-piafenana sy nitsinjarana anay ho antokon’olom-bitsy, dia azo natao tampoka teo ny nifankahita tamin’ny rahalahy maro aoka izany indray niaraka. Niharoharo tao anatin’ny efitra samihafa izahay nandritra ilay dia manontolo, ka nifampiresaka tamin’ny rahalahy izay tsy hitanay hatramin’ny taona maro, eny, hatramin’ny am-polony taona maro mihitsy aza. Tsy hay lazaina ny fifalianay rehefa nifankahita indray izahay. Samy efa nandroso taona avokoa ny rehetra, kanefa samy niaritra tamim-pahatokiana koa. Noarahabaina tonga soa izahay tao amin’ny garan’i Berlin-Lichtenberg, ary nilazana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo mba hanatona toeram-pihaonana, izay niandrasan’ny rahalahy avy tao Berlin anay niaraka tamin’ny soratra lehibe. Zava-baovao tanteraka taminay izany hoe nipoitra avy tamin’ny fiafinafenana izany! Niainanay mihitsy izay novakinay na renay fotsiny hatramin’izay: Tena fianakaviam-ben’ny mpirahalahy samy hafa firenena tokoa isika!”

Eny tokoa, io no fivoriambe tena voalohany ho an’ny Vavolombelona maro. “Nientanentana be izahay rehetra rehefa nahazo ilay fanasana”, hoy ny tsaroan’i Wilfried Schröter. Tamin’ny 1972 izy no nanao ny fanoloran-tenany, izany hoe tao anatin’ilay fandrarana, koa tsy mahagaga izany fihetseham-pony izany. “Tsindrian-daona be erỳ izahay, herinandro maromaro talohan’ilay izy. Mbola tsy nahatsapa zavatra toy izany mihitsy aho, ary toy izany koa ny rahalahy hafa maro. Tsy azo ninoana tsotra izao ny hahitanay fianakavian’ny mpirahalahy samy hafa firenena ho tafavory ao amin’ny kianja goavana iray.”

Impiry impiry moa ireo rahalahy tao Berlin Atsinanana no naniry mafy ny hiampita ireo kilaometatra vitsivitsy namakivaky ny tanàna izay nampisaraka azy tamin’ireo rahalahiny nanatrika fivoriambe! Ary izao dia afaka nanao izany izy ireo rehefa ela ny ela.

Efa ho 45 000 ny solontena avy tamin’ny tany 64 tonga nanatrika. Teo koa ny mpikambana fito tao amin’ny Fitambara-mpitantana. Tonga izy ireo mba hiara-paly tamin’ny rahalahiny kristianina avy tatsy Alemaina Atsinanana, nandritra io fotoana nanan-tantara io. Tao amin’io kianja io no niezahan’ny Reich Fahatelo nampiaiky volana an’izao tontolo izao ny amin’ny zava-bitany tao amin’ny Lalao Olympika, tamin’ny 1936. Nanakoako indray nanerana ilay kianja ny tehaka nirefodrefotra, saingy tamin’ity indray mandeha ity dia tsy ho fankalazana atleta na noho ny fanindrahindram-pirenena. Fianakaviana iray maneran-tany tena sambatra ny vahoakan’i Jehovah, ary anisan’izany ireo mpanatrika ireo. Nitehaka izy ireo ho fanehoany ny fisaorany an’i Jehovah sy ny fankasitrahany noho ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Teniny. Nisy 1 018 no niseho mba haroboka tao anaty rano tamin’io fotoana io. Nianatra ny fahamarinana tatsy Alemaina Atsinanana nandritra ny fandrarana, ny ankamaroan’ireo naroboka.

Angamba ireo solontena be hafanam-po 4 500 teo ho eo avy tany Polonina, izay mifanila amin’i Alemaina Atsinanana, no afaka nahatakatra tsara indrindra ny fihetseham-pon’ireo rahalahy avy tatsy Alemaina Atsinanana. Niaritra fandrarana an-taonany maro koa ireo rahalahy avy tany Polonina, ary vao haingana koa no nanao ny fivoriambeny goavana voalohany hatramin’ny taona maro. Izao no nosoratan’ny Vavolombelona poloney iray, tatỳ aoriana: “Velom-pankasitrahana indrindra noho ny toe-tsaina feno fahafoizan-tenan’ireo rahalahiny atsy andrefana ny avy teto Polonina, satria izy ireo nanome filasiana maimaim-poana, sakafo maimaim-poana, fitaterana maimaim-poana nandroso sy niverina nankany amin’ilay fivoriambe, ary raha tsy nisy izany, dia tsy ho afaka ny ho tonga ny ankamaroanay.”

Marina fa zatra nanatrika fivoriambe tamin-kalalahana ireo rahalahy avy teto Alemaina Andrefana, kanefa na dia izany aza, dia nihetsi-po lalina koa izy ireo. “Nahafaly ny nahita ny maromaro tamin’ireo rahalahinay mahatoky be taona nipetraka teo amin’ny toerana voatokana, izay nipetrahan’i Adolf Hitler sy ny manam-pahefana nazia hafa. Ny sasany tamin’ireo rahalahy ireo dia nenjehina, tsy nandritra ny 40 taona nitondran’ny Kôminista ihany, fa nandritra ny Reich Fahatelo koa”, hoy i Klaus Feige, mpianakavin’ny Betela eto Selters. Natokana tamim-pitiavana ho an’ny zokiolona sy ny sembana io faritra voatokana tsara dia tsara tao amin’ilay kianja io. Izany ka mampiseho tsara ny Fanjakan’Andriamanitra, izay ankehitriny dia mandresy ny hery ara-politika nioko hanakantsakana ny fandrosoany ho amin’ny fandresena farany!

Fanomezana toerana hivoriana

Raha vantany vao nesorina ny fandrarana tatsy Alemaina Atsinanana, dia nisy fandaharana natao mba hahafahan’ireo rahalahy tany handray soa tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe tsy tapaka, izay ataon’ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany. Nasaina hanatrika fivoriambe manokana sy fivoriamben’ny fizaran-tany teto Alemaina Andrefana ireo kôngregasiôna, na dia talohan’ny nandaminana tanteraka indray ireo fizaran-tany aza. Teo am-boalohany, dia nozaraina nitovy ny isan’ireo mpitory nanatrika avy teto Alemaina Andrefana sy ny avy tatsy Alemaina Atsinanana. Nanamafy ny fatoram-pirahalahiana izany, ary koa nahafahan’ny rahalahy avy tatsy Alemaina Atsinanana nianatra ny fomba fandaminana fivoriambe, tamin’ny fiaraha-niasa tamin’ny rahalahiny avy teto Alemaina Andrefana.

Rehefa voaforona ireo fizaran-tany, dia nasaina nampiasa ny Efitrano Fivoriambe efa nisy teto Alemaina Andrefana ireo rahalahy tatsy Atsinanana. Akaikin’ny sisin-tany mantsy ny dimy — ireo ao Berlin, Munich, Büchenbach, Möllbergen, sy Trappenkamp — ka nahafahana nanao izany. Na izany aza, dia natomboka haingana araka izay azo natao ny fanorenana Efitrano Fivoriambe iray tatsy Alemaina Atsinanana. Notokanana ny 13 Aogositra 1994 io ao Glauchau io, izay any akaikin’i Dresde, ary izy io no Efitrano Fivoriambe lehibe indrindra ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Alemaina amin’izao fotoana izao, satria omby olona 4 000.

Nasiana fiheverana koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Tsy azo natao izany teo aloha tao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina, saingy nilaina izy ireny izao mba hikarakarana ny Vavolombelona maherin’ny 20 000 ao amin’io faritra io. Nahazendana ny mpitazana ny fomba nanaovana ilay asa fanorenana.

Nanoratra toy izao ny gazety iray, momba ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray tao Stavenhagen: “Ny fomba nananganana ilay trano sy ny hafaingan’ilay asa dia efa nahazendana mpitazana maro liana te hijery. (...) Mpanorina voaofana 240 teo ho eo, izay nahay karazan’asa 35, no nanangana ilay trano; mpiasa an-tsitrapo Vavolombelon’i Jehovah avokoa izy rehetra. Teo avokoa izy rehetra ireo nandritra ny faran’ny herinandro iray nefa tsy nandray karama.”

Nanoratra momba ny efitrano iray naorina teo amin’ny nosy Rügen, ao Sagard, any amin’ny Ranomasina Baltika, ny gazety iray, hoe: “Lehilahy sy vehivavy 50 eo ho eo, somebiseby toy ny tantely, no manomana ny fototr’ilay trano. Tsy misafotofoto anefa ny asa. Tsy toy ny fahita fa tony sady feno fisakaizana ny rivo-piainana. Na dia hita aza fa mandeha haingana be ilay asa, dia toa tsy misy sorisorena na mivazavaza amin’ny mpiara-miasa aminy, toy izay mitranga any amin’ny ankamaroan’ny toeram-panorenana.”

Tamin’ny faran’ny taona 1992, dia Efitrano Fanjakana fito no voaorina, izay nampiasain’ny kôngregasiôna 16. Nisy 30 hafa koa nokasaina haorina. Tamin’ny 1998, dia maherin’ny 70 isan-jaton’ny kôngregasiôna atsy Alemaina Atsinanana teo aloha no efa nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakanany manokana.

Fivoriambe iraisam-pirenena nampientanentana

Arakaraka ny nanesorana ny fameperan’ny fitondram-panjakana ny asantsika tany amin’ny tany samihafa tatsy Eoropa Atsinanana, dia nanomana fivoriambe hatao any amin’ireo tany ireo ny Fitambara-mpitantana. Fotoana nampandroso ara-panahy ireny fivoriambe ireny, izay nanomezana fampirisihana mba hitanana ho mazava tsara ao an-tsaina ny asa nanirahan’Andriamanitra ny mpanompony. (Matio 6:19-24, 31-33; 24:14). Vavolombelona vitsivitsy monja no afaka niara-nivory tao amin’ireny tany ireny, nandritra ny taona maro. Noho izany, ireny fivoriambe ireny dia nahafahan’izy ireo nifankahalala tamin’ny Vavolombelona hafa sy nahazoany fampaherezana rehefa hitany ny porofon’ny fitahian’i Jehovah ny fiaretany tamim-pahatokiana. Nisy solontenan’ny tany hafa koa nasaina, mba hahitan’ny rahalahy tamin’ny fomba feno kokoa fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy samy hafa firenena izy ireo. Maro tamin’ireo solontena ireo no avy teto Alemaina. Maro ny solontena alemà nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Polonina, Hongria, Tsekôslôvakia, sy tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, teo anelanelan’ny taona 1989 sy 1993.

Natao tany Prague, any amin’ny Repoblika Tseky ankehitriny, ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ireo Tia Fahafahana Araka An’Andriamanitra”, tamin’ny 1991. Ny omalin’ny nanombohan’izy io, ilay gazety hoe Lidové noviny dia nanao tatitra ny asa niavaka nataon’ny ekipa iray nisy Vavolombelona 40 teo ho eo, izay nanangana “ny fitaovana fanamafisam-peo nampindramin’ny ‘rahalahiny avy tany Alemaina’ ”. Tsy vitan’ny hoe nampindrana fitaovana fanamafisam-peo ireo rahalahy alemà, fa anisan’ilay ekipa nanangana ilay fitaovana koa. Efa nahazo traikefa avy tamin’ny fivoriambe nataony hatramin’ny am-polony taona maro mantsy izy ireo, ka faly fa afaka nizara ny traikefany tamin’ireo rahalahiny tseky. Voafetra ho an-jatony vitsivitsy monja ny solontena avy teto Alemaina tany amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena teo aloha, fa solontena 30 000 kosa no nasaina ho amin’ity fivoriambe tany Prague ity. Ary izany ka fivoriambe!

Hoy ny nosoratan’i Dieter Kabus, izay mpiandraikitra ny distrika tany Tsekôslôvakia tamin’ny 1955, ary solontena avy teto Alemaina tany amin’io fivoriambe io: “Rehefa nambara ny fivoahan’ny New World Translation [Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao] [atao pirinty amin’ny milin’ny Fikambanana ankehitriny], dia nitsangana avokoa ny rehetra, ary nirefodrefotra nanerana ilay kianja ny tehaka avy amin’ny fo, izay toa tsy nety hifarana. Nifamihina avokoa izahay rehetra; an’arivony maro no tsy menatra nandrotsaka ranomasom-pifaliana. Tsaroanay ny fotoana naha tany am-ponja anay. Nisy 16 mirahalahy izahay, ary tsy nanana afa-tsy Baiboly tokana monja. Maro no nijanona adiny iray na mihoatra, ka nihira sy nankafy ilay fiarahana nahafinaritra, taorian’ilay fandaharana.”

Nisy solontena alemà koa tonga tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Saint-Pétersbourg, Rosia, ny taona nanaraka, tamin’ny 1992. Mety ho mbola tsaroan’ny solontena sasany fa tsy nandeha nisosa mora foana akory ny zava-drehetra, raha ny filasian’ireo solontena alemà no asian-teny, fara faharatsiny. Nivadika ho fanambarana koa anefa izany. Voatery nifindra hotely fatoriana ireo solontena andiany iray, taorian’ny filazana fohy. Tamin’izay dia niaiky volana tanteraka noho ny fitondran-tenan’ny Vavolombelona ilay ramatoa rosianina 50 taona nandika teny ho azy ireo, ka nihiaka hoe: “Mba hafa kely ianareo ka; tsy mba mitabataba na sorena ianareo!” Ny toe-tsaina nasehon’ireo rahalahy sy anabavy rosianina malalany anefa no nahavariana kokoa an’ireo solontena ireo. Nanoratra toy izao ny solontena alemà iray, taorian’ilay fivoriambe: “Tsy hitako izay teny hilazana ny fomba nankasitrahan’ireo rahalahy an’ilay fandaharana. Tsy nanana Baiboly akory izy ireo, tsy nanana fihirana [izay mbola vitsy dia vitsy tamin’izany fotoana izany tany Rosia], nefa dia nihaino tamim-pahalianana sy tamim-pitandremana izay nolazain’i Jehovah taminy.”

Vavolombelona alemà maherin’ny 1 200 no nanatrika ireo fivoriambe iraisam-pirenena tany Moscou, any Rosia, sy tany Kiev, any Ukraine, ny taona nanaraka. Nanana zavatra nampientanentana hotantaraina tokoa izy ireo rehefa nody! Solontena tany koa i Titus Teubner, mpiandraikitra mpitety faritany hatramin’ny 1950, izay nanao hoe: “Nampanantena ny vadiko aho fa raha misokatra ny asa atsy Atsinanana indray andro any, dia ho anisan’ireo hanatrika ny fivoriambe voalohany any Moscou aho.” Izany tokoa no nataony tamin’ny 1993, ary hoy izy tatỳ aoriana: “Toa fahagagana ny hoe afaka nizara gazety momba ny fitondram-panjakan’Andriamanitra teo amin’ny Place Rouge ny tenako.” Nanoratra toy izao ny solontena hafa iray: “Nanatrika io fivoriambe io izahay mba hampaherezana ny anadahinay rosianina, ary tsy isalasalana fa izany no nataonay. Marina koa anefa ny mifamadika amin’izany. Nampahery anay tamin’ny fomba mahatalanjona ireo anadahinay rosianina, tamin’ny ohatra nomeny raha ny amin’ny fitiavana sy ny fankasitrahana ary ny fahatokiana.”

Tsy hain’ny mpianakavin’ny Betela teto Selters ny tsy ho velom-pankasitrahana noho ny tombontsoa nanompo ireny rahalahy sy anabavy mahatoky ireny. Vao mainka nankasitraka lalina kokoa izany tombontsoa izany izy ireo, rehefa nandre tatitra avy tamin’ireo mpamily kamiaon’ny Betela niverina avy nanatitra entana tany an-tany hafa. Notantarain’ireo mpamily kamiao ny fahadodonan’ireo rahalahy nandray azy, ny fifalian’ireo rahalahy fa afaka nandray anjara tamin’ny fampidinana entana avy tao amin’ny kamiao na dia tamin’ny alina be aza, sy ny fiaraha-nivavaka, talohan’ny nanaovan’ireo rahalahy veloma an’ireo nanatitra entana.

Fanorenana bebe kokoa mba hanomezana izay nilaina maika

Nisesy ny fanesorana ny fandrarana tany amin’ny faritra samihafa tatsy Eoropa Atsinanana. Nisy fivoriambe lehibe natao. Nohafainganina ny fitoriana ny vaovao tsara. Nihanitombo haingana ny fangatahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mba hanomezana izay nilaina tany amin’io saha io. Ahoana no hahavitana izany? Nasaina handray anjara fanampiny ny sampana teto Alemaina.

Tamin’ny 1988, raha mbola tsy nirodana akory ny Rindrin’i Berlin, dia efa neken’ny Fitambara-mpitantana ny hanitarana 50 isan-jato ny tranon’ny sampana teto Alemaina. Sarotra tamin’ny Komitin’ny Sampana ny nahatakatra ny antony nilana izany fanitarana izany, teo am-boalohany. Vao notokanana efa-taona monja talohan’izay mantsy ny fitambaran-trano lehibe iray vaovao tanteraka. Napetrak’ireo rahalahy tany amin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fitondrana teto an-toerana ihany anefa ilay fangatahana. Izao no tsaroan’ny Rahalahy Rudtke: “Rehefa nampiseho ny planinay izahay, dia somary nibitsibitsika tamiko ny lehiben’ny fanorenana eto Selters hoe: ‘Manoro hevitra anareo aho mba hanao fanorenana lehibe araka izay azo atao, satria tsy hanome anareo fanomezan-dalana hanitatra indray intsony ireo manam-pahefana.’ Nampieritreritra anay izany.” Nahagaga fa tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia azo ny fahazoan-dalana avy tany amin’ny biraom-panjakana samy hafa rehetra, ary nanjary 120 isan-jato ilay fanitarana 50 isan-jato naroso teo am-boalohany!

Nanomboka tamin’ny Janoary 1991 ny tena fanorenana. Toa tsy ny rahalahy rehetra anefa no niaiky fa nilaina izany. Hita mantsy fa tsy dodona firy ny hamaly ilay antso momba ny nilana mpiasa voaofana handray anjara amin’ilay tetik’asa ireo rahalahy, ary kely koa ny fanohanany ara-bola. Inona àry no azo natao?

Niharihary fa nila fanazavana bebe kokoa fotsiny ireo rahalahy. Koa nisy fivoriana manokana natao àry niaraka tamin’ny loholona voafantina, tany amin’ny Efitrano Fivoriambe rehetra nanerana an’i Alemaina, ny 3 Oktobra 1991. Nohazavaina fa nitombo efa ho avo telo heny ny famokarana boky tao amin’ny sampan’i Alemaina, tao anatin’ny folo taona farany. Nesorina ny fandrarana ny asa tany Polonina, Hongria, Alemaina Atsinanana, Romania, Boligaria, Ukraine, sy ny Firaisana Sovietika. Vatsina zavatra vita an-tsoratra ireo tany lavitra an’i Alemaina. Miangavy zavatra vita an-tsoratra ireo mpitory any amin’ireny tany ireny. Nasaina handray anjara lehibe amin’ny fanomezana izany i Selters. Rehefa takatr’ireo rahalahy tsara ny zavatra nilaina, dia nanjary nalala-tanana sy nanohana izy ireo.

Raha ny marina, dia nanjary fitahiana ilay tsy fahadodonana tamin’ny voalohany. Tamin’ny ahoana izany? Tsy niantehitra fotsiny tamin’ny mpiasa an-tsitrapo avy teto Alemaina ny sampana, fa nanapa-kevitra kosa ny hampiasa ny fandaharana iray naorin’ny Fitambara-mpitantana tamin’ny 1985. Natomboka tamin’io taona io mantsy ny fandaharam-panorenana ampiasana mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena. Talohan’ny nahavitan’ny asa teto amin’ny sampan’i Alemaina, dia nisy mpiasa an-tsitrapo 331 avy tany amin’ny tany 19 nanompo teto niaraka tamin’ny fianakavian’ny Betela.

Nisy Vavolombelona maro avy teto Alemaina koa nanampy tamin’ilay asa; nandritra ny vakansiny no nanaovan’ny ankamaroany izany. Anisan’izy ireo ny mpitory tokony ho 2 000 avy tatsy Alemaina Atsinanana teo aloha, ka azo inoana fa ny ankamaroany dia tsy nieritreritra mihitsy, nandritra ilay fandrarana, ny hoe ho afaka hiasa ato amin’ny Betela indray andro any.

Faran’ny herinandro nitokanana

Nanampy tamin’io tetik’asa fanorenana io ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra teto Alemaina, na tamin’ny niasany teto izany, na tamin’ny nanomezany vola, na tamin’ny alalan’ny vavaka. Betelan’izy ireo i Selters, fitambaran-trano nitarina be, izay tiany hatokana ho an’i Jehovah izao. Araka izany, ela be talohan’ny nifaranan’ilay asa fanorenana, dia nisy fandaharana natao ho an’ny fianakavian’ny mpirahalahy manontolo teto Alemaina, ary koa ho an’ny vahiny maro avy tany ivelany, mba hiara-mivory hanao ilay fitokanana.

Nanomboka ny asabotsy marainan’ny 14 May 1994 ilay fandaharana, ary nantitranterina tamin’izany ny amin’ny ‘varavarana lehibe hahazoana miasa’, izay nivoha tatsy Eoropa Atsinanana. (1 Kor. 16:9). Nanatanjaka ny finoana ny nandre ny tatitra nataon’ny rahalahy avy tany amin’ireo tany ireo, momba ny fitomboana tsara dia tsara efa hita tany sy ny fahatsinjovana fitomboana fanampiny. Nitohy ny alahady ny fientanentanana tamin’ilay andro, izay tsapan’ireo mpanatrika 3 658 teto Selters. Nasaina avokoa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra teto Alemaina mba hivory tao amin’ny kianja enina nohofana tamin’io fotoan-dehibe io — tao Brême, Cologne, Gelsenkirchen, Leipzig, Nuremberg, sy Stuttgart.

Rehefa nangina ireo mpanatrika an’aliny maro, vonon-kihaino, dia niara-natomboka tao amin’ireo toerana enina ireo ny fandaharana. Nanaovana famerenana fohy aloha ny fandaharam-pitokanana ny asabotsy teto Selters, ary avy eo dia nisy tatitra mahafaly fanampiny avy tamin’ny solontena vahiny. Zava-nisongadina ny lahateny nataon’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana tao Gelsenkirchen sy Leipzig ary Stuttgart. Mba hahafahan’ny mpihaino tany amin’ireo toerana telo hafa handray soa tamin’ireo lahateny ireo, dia nampitaina tamin’ny alalan’ny telefaonina izy ireo. Nampirisihina ny mpanatrika rehetra niisa 177 902 mba hatanjaka hatrany amin’ny finoana sy hanohitra izay mety ho fiezahana ataon’ny sasany hampiadam-pamindra azy. Izao no fotoana hanaovan-javatra! Tsy nampoizina ny nanokafan’i Jehovah ny varavarana ho amin’ny fanitarana tatsy Eoropa Atsinanana, ary tsy misy tokony havela hanakantsakana ny fanatanterahana io asa io. Talohan’ny hiondrehany mba hisaorana an’i Jehovah, dia niara-nanandra-peo nihira toy izao izy ireo: “Rahalahy an’aliny maro/ No eo anilako/ Dia vavolombelona/ Mahatoky tokoa”. Nahalana no nisy fampisehoana lehibe toy izany ny firaisan-tsaina sy ny fahatapahan-kevitra mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah.

Nifarana ihany ilay faran’ny herinandro fitokanana be voninahitra, saingy mbola nitohy kosa ny fanitarana. Ny ampitso vao maraina, dia efa niasa be indray ireo mpiasan’ny fanorenana. Nilana toerana fanampiny tao amin’ny fandefasana entana teto Selters noho ny fampiharana ny fandaharana vaovao momba ny trano fanatobiana entana, dia fandaharana noraisin’ny Fikambanana vao haingana mba hialana tamin’ny famerenana asa sy ny fandaniana tsy ilaina.

Namokatra boky 5 838 095 sy gazety 25 289 120 ny sampan’i Alemaina tamin’ny 1975. Nitombo izany ka boky 12 330 998 sy gazety 199 668 630 ary cassettes 2 656 184 no novokarina, 20 taona tatỳ aoriana, nandritra ny taom-panompoana 1998. Ny fangatahana avy tamin’ireo tany atsy Eoropa Atsinanana indrindra no tena anton’izany fitomboana goavana izany.

Arakaraka ny nanesorana ny fandrarana tao amin’ny tany samihafa tatsy Eoropa Atsinanana, dia nanomboka nandefa zavatra vita an-tsoratra tany amin’ireo tany hafa ireo i Selters. Raha ny marina, ny 68 isan-jaton’ny zavatra vita an-tsoratra novokarina teto Selters teo anelanelan’ny May 1989 sy Aogositra 1998, izay nilanja 58 793 taonina, dia nalefa nankany amin’ny tany 21 atsy Eoropa Atsinanana sy any Azia. Izany dia mitovy amin’ny laharan-kamiao 2 529, ka feno zavatra vita an-tsoratra 23 taonina avy ny kamiao tsirairay.

Manorina, nefa mitory koa

Nanomboka tamin’ny 1975, dia nahavita fanorenana be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary tahaka an’i Noa, izay sady mpanorina no “mpitory ny fahamarinana”, dia miezaka hampifandanja ireo andraikiny ny Vavolombelona. (2 Pet. 2:5). Takatr’izy ireo fa lafiny lehibe eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina ankehitriny ny asa fanorenana. Etsy an-danin’izany, dia mampifantoka tsara hatrany ny masony amin’ny maha zava-dehibe sy maha maika ny asa fitoriana ny vaovao tsara izy ireo.

Raha ny marina, dia nomarihin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana fa nanjary nitombo ny fotoana nanompoana teny amin’ny saha, nandritra ny nanaovana asa fanampiny tamin’ny fanorenana teto Selters. Ary mazava ho azy fa efa fanambarana koa ny fanorenana trano teôkratika. Nahazendana foana ny mpitazana ny Efitrano Fanjakana, ary koa ny Efitrano Fivoriambe, naorina haingana. Koa nahafahana nisarika ny saina ho amin’ny vaovao tsara torin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny fanorenana nataony tamin-jotom-po sy tamim-pandavan-tena. Ny olona tso-po dia liana ta hahafantatra hoe inona no hery manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanao zavatra amin’ny fomba tsy fahita mihitsy eo amin’ny antokom-pivavahana hafa.

Inona no nanjo an’i Magdeburg?

Iray tamin’ny Efitrano Fanjakana notokanana tamin’izany fotoana izany ilay tao Magdeburg. Nafindran’ny Fikambanana avy tao Barmen nankao Magdeburg ny biraon’ny sampana teto Alemaina, tamin’ny 1923. Tamin’ny 1927/1928, dia nisy efitrano fivoriambe mendrika iray, izay omby olona 800 teo ho eo, naorina tao. Nantsoin’ireo rahalahy hoe Efitrano Harpa izy io, noho ny fankasitrahany ilay bokin’ny Fikambanana Watch Tower hoe La Harpe de Dieu. Noravahana sary mivohitra mampiseho an’i Davida Mpanjaka mitendry harpa ny rindriny aoriana.

Tamin’ny Jona 1933, dia nalain’ny fitondram-panjakana nazia ny fananan’ny Fikambanana tao Magdeburg, ka nakatony ilay orinasa, ary nampiakariny teo ny saina misy croix gammée. Naverina tamin’ny Vavolombelona ilay fananany taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, saingy tsy naharitra ela izany. Nalain’ny manam-pahefana kôminista indray ilay izy, tamin’ny Aogositra 1950.

Tamin’ny 1993, rehefa nitambatra indray i Alemaina, dia nisy ampahany lehibe tamin’ilay fananan’ny Fikambanana naverina taminy, ary naverina vola ny sisa. Anisan’ny naverina koa ilay Efitrano Harpa teo aloha. Nohavaozina nandritra ny volana maromaro i Magdeburg, ary dia nahazoana Efitrano Fanjakana sahaza izay tena nilaina.

“Efa fanintelony amin’izao no notokanana ity toerana ity: ny voalohany tamin’ireo taona 1920, avy eo tamin’ny 1948, ary izao amin’ny 1995 izao indray”, hoy ny fanazavan’i Peter Konschak, nandritra ilay fitokanana. I Willi Pohl, izay nisolo tena ny Komitin’ny Sampan’i Alemaina, no nanao ny lahateny fitokanana. Nanompo tao amin’ny Betelan’i Magdeburg izy, fony izy zatovo. Raha ny marina, tamin’ny 1947, fony nitsidika i Hayden Covington, izay iraky ny foibe maneran-tany, ka niresaka tamin’ireo rahalahy tao amin’io efitrano io mihitsy, dia ny Rahalahy Pohl no mpandika teniny. “Azonareo an-tsaina izay tsapako eto am-panaovana ity lahateny ity”, hoy ny nolazainy tamim-pahatsorana tamin’ireo olona nasaina 450.

Amin’izao fotoana izao, dia misy kôngregasiôna maromaro ao Magdeburg, mivory tsy tapaka ao amin’ilay Efitrano Harpa teo aloha. Izy ireo dia porofo velon’ny fahamarinan’ny tenin’i Jehovah tamin’ny mpanompony izay nosoratan’i Isaia, maherin’ny 2 700 taona lasa izay, manao hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina”. Na koa ilay nampahatsiahivin’i Hezekia Mpanjaka ny vahoakany toy izao, indray mandeha: “Jehovah Andriamanitsika (...) no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika.” — Isaia 54:17; 2 Tant. 32:8.

Biraon’ny fandikan-teny

Anisan’ny asa lehibe atao eto amin’ny sampan’i Alemaina ny fandikan-teny. Nafindra avy tany Berne, any Soisa, nankao Wiesbaden ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny alemà, tamin’ny 1956. Olona efatra monja no tao amin’io sampan-draharaha io tamin’izany fotoana izany. Nanompo tamim-pahatokiana tao mandra-pahafatiny i Alice Berner sy i Erika Surber. Mbola ao amin’io sampan-draharaha io ihany i Anny Surber, izay anisan’ireo efatra voalohany koa. Nitombo io sampan-draharaha io rehefa nandeha teny ny taona, hany ka ankehitriny, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ihany no azon’ny Vavolombelona alemà amin’ny fiteniny, fa eo koa ireo boky mifono baoritra, izay miara-mivoaka amin’ireo amin’ny teny anglisy.

Efa hatramin’ireo taona 1960 no nanaovana fandikan-teny tamin’ny teny rosianina sy poloney teto Alemaina, ankoatra ny tamin’ny teny alemà. Ny niandraikitra izany dia ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana any Ivelany, izay nikarakara ny asa tany amin’ny tany maromaro nandrarana ny asa, anisan’izany i Alemaina Atsinanana sy i Polonina ary ny Firaisana Sovietika.

Raha vantany vao azo natao ny nanasa mpandika teny za-draharaha sasany avy tany Polonina sy mpiofana ho mpandika teny maromaro avy tany amin’ny Firaisana Sovietika, dia nasaina nanketo Selters izy ireo. Nanana ny fitaovana nilaina mbamin’ny toeram-piasana nampiadana, izay nandraisany fampiofanana fanampiny momba ny asany, izy ireo teto. Azony natao koa ny nanovo avy tamin’ny traikefa nananan’ny mpandika teny alemà, izay nanolotra fanipazan-kevitra mahasoa ny amin’ny fomba hamahana ny olana fahitan’ny mpandika teny rehetra, na amin’ny fiteny inona izany na amin’ny fiteny inona. Tsy ela dia nanjary mamin’ny fon’ny mpianakavin’ny Betelan’i Selters ireny mpandika teny ireny.

Mazava ho azy fa tsy naharitra ilay fandaharam-piofanana. Tatỳ aoriana, dia tsy maintsy niverina tany amin’ny taniny ireny mpandika teny ireny. Koa rehefa avy notokanana ny Betela vaovao any akaikin’i Varsovie, any Polonina, tamin’ny 1992, ary rehefa nahavita tetik’asa lehibe iray ireo mpandika teny, dia nanatevin-daharana ny ekipan’ny mpandika teny poloney tany Polonina ny mpandika teny poloney teto Alemaina.

Talohan’ny niaingan’izy ireo anefa, dia nisy mpiofana ho mpandika teny hafa — rosianina sy ukrainiens — nanomboka tonga mba handray fampiofanana. Tonga ny dimy voalohany tamin’ny 27 Septambra 1991, ary tonga tatỳ aoriana ny hafa. Maherin’ny 30 no tonga, tamin’ny fitambarany.

Tamin’ny Janoary 1994, dia lasa koa ny mpandika teny rosianina mba hipetraka ao amin’ny Betela mbola teo andalam-panorenana any Solnechnoye, any akaikin’i Saint-Pétersbourg. Niandry ny hifindra amin’ny hoavy tsy ho ela kosa ny mpandika teny ukrainiens, tamin’ny fotoana nanoratana an’ity, mba ho any amin’ny trano Betela vaovao, izay omanina ho an’i Ukraine. Nisy ekipan’ny mpandika teny hafa koa niasa teto Selters indraindray, ary nandray soa avy tamin’ny fanampiana nomena azy izy ireny. Izany rehetra izany dia mampahatsiahy antsika mandrakariva ny amin’ny fikasan’i Jehovah hanangona olona ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’ mba hahaforona “tany vaovao”, izay fototry ny fitambaran’olona voatokana hanompo an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. — Apok. 7:9, 10; 2 Pet. 3:13.

Toerana ho an’ny seminera iraisam-pirenena

Nanintona mpitsidika maro ny sampan’i Alemaina, satria tsara toerana. Milaza i Francfort fa izy no manana ny fidirana be mpandeha indrindra eto amin’ny kontinantan’i Eoropa, dia ny Seranam-piaramanidina Rhein-Main. Tsy ampy 60 kilaometatra avy eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Francfort no misy an’i Selters. Noho izany, dia hitan’ny Vavolombelona maro fa namelombelona ny nitsidika vetivety ny tranon’ny Betela sy ny nankafy vetivety ny fahaiza-mandray vahiny nasehon’ny fianakavian’ny sampana, na dia ho any an-tany hafa aza ny anton-dian’izy ireo.

Hita koa fa toerana tsara hanaovana seminera iraisam-pirenena sy hanaovana fivoriana hifampidinihan’ny solontenan’ny sampana samihafa, i Selters. Araka izany, dia nandamina fivoriana efatra andro ho an’ny solontenan’ny sampana 16 teto Eoropa sy ny rahalahy avy tany Brooklyn, ny Komitin’ny Fampanontana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ny 1992. Ny zava-kendren’izy ireo dia ny hampifandrindra ny asany mba hahazoana antoka fa hisy vatsin-tsakafo ara-panahy ampy tsara ho an’ny sampana rehetra teto Eoropa, anisan’izany ireo tany sahirana ara-toe-karena.

Efa nanolotra zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maimaim-poana ho an’izay rehetra liana ny hamaky izany ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina, na dia talohan’io fivoriana io aza. Azo antoka fa porofoin’izany ny maha diso ilay fiampangan’ny mpanohitra hoe mivarotra zavatra vita an-tsoratra ny Fikambanana Watch Tower mba hahazoam-bola.

Taorian’ilay seminera teto Selters, dia nitarina nanerana an’i Eoropa io fandaharana io. Hita fa nahasoa indrindra izany tatsy Eoropa Atsinanana, satria olona maro be any no mangetaheta zavatra ara-panahy, saingy matetika no teren’ny tsy fananam-bola. Ahoana àry no isahanana ny lany amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olona velom-pankasitrahana hafa. Ary nahoana izy ireo no manao fanomezana toy izany? Manao izany ny sasany, satria tsapany ny hasarobidin’ny fanomezana fahafahana ho an’ny rehetra hahafantatra fa afaka manatsara ny fiainany dieny ankehitriny ny fampiharana ny foto-pitsipiky ny Baiboly. (Isaia 48:17; 1 Tim. 4:8). Ny hafa kosa atosiky ny faniriana handray anjara amin’io fomba io mba hahafahana hitondra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny olona any amin’ny tany rehetra, alohan’ny hamaranan’Andriamanitra ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — Matio 24:14.

Nisy seminera faharoa natao tatỳ aoriana, tamin’ny 1992. Niompana tamin’izao fanoloran-kevitra izao io seminera io: halefan’ny sampan’i Alemaina mivantana any amin’ny kôngregasiôna tsirairay ao amin’ny faritr’i Eoropa ny zavatra vita an-tsoratra, fa tsy halefany intsony any amin’ireo biraon’ny sampana, izay mbola handefa azy ireny indray avy eo, toy ny natao hatramin’izay. Nisy seminera fahatelo natao tamin’ny Aprily 1993, ary noraisina tao ny fepetra hampidirana tany enina teto Eoropa Afovoany ho ao anatin’io fandaharana io. Tamin’ny Febroary 1994, dia nisy seminera ho an’ireo tany atsy Eoropa Atsinanana natao tany Vienne, any Aotrisy, ary nisy fandaharana natao mba hampidirana kôngregasiôna any amin’ny tany 19 fanampiny.

Hita miharihary ny tombony amin’io fandaharana io. Mihena ny fandaniana, satria tsy ilaina ny mitahiry zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny sampana tsirairay; noho izany, dia tsy nilaina intsony ny toerana lehibe ho an’ny sampan-draharahan’ny fandefasana entana isaky ny tany tsirairay. Nanjary tsy nilaina intsony ny nanitatra ny tranon’ny Betela, tany amin’ny tany sasany. Ary rehefa voaorina ny trano Betela vaovao, dia tsy ilaina hatao lehibe intsony izy ireny, satria eto Alemaina no anaovana ny fitahirizana sy ny famonosana ary ny fandefasana ny zavatra vita an-tsoratra.

Nisy karazany 2 000 teo ho eo ny zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny 59 notahirizin’ny sampan’i Alemaina tamin’ny 1989, fa tamin’ny 1998 kosa, dia nanana karazany 8 900 tamin’ny fiteny 226 izy. Tamin’ny Aprily 1998, ny sampana eto Selters, Alemaina, dia namatsy zavatra vita an-tsoratra ny mpitory 742 144 tao amin’ny kôngregasiôna 8 857 any amin’ny tany 32.

Tsy tamin’ny lasa ihany akory no nankahalaina ny tena Kristianina

Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny apostoliny, ny takariva farany talohan’ny nahafatesany: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. (...) Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. (Jaona 15:19, 20). Koa tokony hampoizina àry ny hoe tsy hitsahatra tanteraka ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina, taorian’ny nirodanan’ny Reich Fahatelo naorin’i Hitler. Toy izany koa fa tsy nitsahatra ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa voaesotra ny fandrarana nampiharin’ny fitondrana kôminista, na dia nahazo fahalalahana bebe kokoa aza ny isam-batan’olona, tamin’ny ankapobeny. Naka endriny hafa fotsiny ny fanenjehana. — 2 Tim. 3:12.

Ny mpivadi-pinoana indray izao no nisolo toerana ny mpanenjika taloha ny vahoakan’i Jehovah, ka nikapoka ireo namany kristianina taloha ireo. (Matio 24:48-51). Nandritra ny faramparan’ireo taona 1980 sy teo am-piandohan’ireo taona 1990, dia nanjary nihasahy naneho ny heviny ireo mpivadi-pinoana ireo, ary nihamaro sy nihafeno haratsiam-panahy ny fiampangany lainga. Nampiseho ireo mpivadi-pinoana ho “manam-pahaizana” momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpamokatra dinidinika ao amin’ny televiziona sasany. Nanontany tena anefa ny olona tso-po sasany raha fahendrena ny hitsarana ny Vavolombelona miorina amin’ny fanambaran’ireny mpikambana taloha izay sosotra ireny. Taorian’ny fandaharana iray toy izany tao amin’ny televiziona, dia niantso an-telefaonina ny biraon’ny Fikambanana eto Selters ny tovolahy iray. Nohazavainy fa taona vitsivitsy lasa izay, dia nampianatra Baiboly azy ilay Vavolombelona taloha izay nadinadinina tao amin’ny televiziona. Nitsahatra tsy nianatra ilay tovolahy, noho ny antony manokana. Rehefa nahita ilay fandaharana tao amin’ny televiziona sy ilay mpampianatra azy taloha anefa ilay tovolahy, dia nanjary nalahelo tokoa. Hoy izy nanontany: “Ahoana no ilazany zavatra toy izany? Fantany tsara fa tsy marina ny zavatra lazainy momba ny Vavolombelona.” Ny vokany dia nanohy nianatra Baiboly indray ilay tovolahy, niaraka tamin’ny loholona iray tao amin’ny kôngregasiôna teo an-toerana, tamin’ity indray mandeha ity.

Mazava ho azy fa olona maro no manaiky befahatany ny zavatra reny ao amin’ny televiziona na vakiny ao amin’ny gazety. Noho ny famelezan’ny fampitam-baovao matetika ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Fikambanana dia nanomana bokikely iray 32 pejy natao indrindra hanoherana izany fampielezan-kevitra mamitaka be dia be izany. Ny lohatenin’izy io dia hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Mpiara-monina Aminao — Iza moa Izy Ireo?

Mirakitra fanazavana miorina amin’ny zava-misy azo tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny Vavolombelona sahabo ho 146 000 teto Alemaina tamin’ny 1994, io bokikely io. Ireo vokatra azo tamin’ilay fanadihadiana dia nanaporofo tokoa fa diso ireo fiheverana maro nananan’ny olona momba ny Vavolombelona. Fivavahan’ny vavy antitra hoe? Lehilahy ny efatra ampahafolon’ny Vavolombelona eto Alemaina, ary 44 taona ny salan-taonan’ny Vavolombelona. Fivavahan’ny olona voasasa atidoha hatramin’ny fahazazany hoe? Efa lehibe ny 52 isan-jaton’ny Vavolombelona rehetra vao tonga Vavolombelona. Fivavahana mandrava fianakaviana hoe? Mpitovo ny 19 isan-jato amin’ireo Vavolombelona, manambady ny 68 isan-jato, maty vady ny 9 isan-jato, ary 4 isan-jato monja no nisara-panambadiana, ary efa talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelona no nisara-panambadiana ny ankamaroany. Fivavahana tsy manaiky ny hiterahana hoe? Efa ho ny efatra ampahadimin’ny Vavolombelona manambady no manan-janaka. Fivavahan’ny olona ambany fahaizana ara-tsaina hoe? Ny ampahatelon’ny Vavolombelona no mahay fiteny vahiny iray, fara fahakeliny, ary 69 isan-jato no manara-baovao tsy tapaka. Fivavahana mandrara ny hifalifalian’ny mpikambana ao aminy hoe? Mandany 14,2 ora isan-kerinandro anaovana fialam-boly samihafa ny Vavolombelona tsirairay. Etsy an-danin’izany, dia ataony laharam-pahamehana ny fikatsahan-javatra ara-panahy, satria mandany 17,5 ora isan-kerinandro, amin’ny antsalany, amin’ny asa ara-pivavahana izy.

Raharaha iray nahaliana manokana tao amin’ilay bokikely ny momba an’i “Oliver kely”. Tsy ela taorian’ny nahaterahany tamin’ny 1991, dia nahita lavaka kely tao amin’ny fony ny dokotera. Nentin’ny reniny hodidiana i Oliver, rehefa tonga ny fotoana nety, ary mifanaraka amin’ny zavatra inoany ara-pivavahana, dia nitady dokotera vonona handidy tsy hampiasa ra izy. Naolan’ny mpanohitra anefa ilay tantara mba hanosoram-potaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia rehefa vita soa aman-tsara tsy nisy fampidiran-dra aza ilay fandidiana, dia nisy gazety iray namoaka ilay raharaha tao amin’ny matoam-baovaony. Nilaza tsy mivantana ilay gazety fa voavotra noho ny ‘ra mamonjy aina’ nampidirina taminy i Oliver izao, na dia teo aza ny tsy faneken’ny reniny “mafana fo tafahoatra”. Noporofoina tao amin’ilay bokikely fa diso tanteraka izany.

Teo am-boalohany, dia natao fotsiny ho an’ny olona nametraka fanontaniana momba ny fiampangana lainga namelezana ny Vavolombelona, ilay bokikely. Naverina namboarina indray anefa ny fonony tamin’ny 1996, ary nasiana fanolorana fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano any amin’ny farany, ka 1 800 000 no nozaraina nanerana an’i Alemaina.

Omena fanazavana miorina amin’ny zava-misy ny fampitam-baovao

Tamin’io taona io ihany, dia nisy dingana hafa koa natao mba hiatrehana ny fiezahan’ny mpanohitra tsy an-kijanona hampiasa ny fampitam-baovao mba hanaovana filazalazana voaolana momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Voatendry ho mpitari-draharahan’ny komity iray, izay hiandraikitra ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra, i Walter Köbe. Hoy ny fanazavany: “Ho setrin’ny fampielezan-kevitra be dia be nalefan’ny mpanohitra, dia voatery nanao izay hahazoan’ny olona fanazavana mora foana izahay.” Notadiavina ireo izay nety hahay hifandray tsara amin’ny eny ivelany. Natao ny seminera mba hampiofanana azy ireo. Nozaraina ho faritra 22 i Alemaina, ary tamin’ny 1998, dia nisy an-jatony maro ny mpiasan’ny sampan’asan’ny filan-kevitra voaofana izay nikarakara ireo faritra ireo. Asian’izy ireo fiheverana manokana ny fifandraisana mivantana amin’ny mpampanonta gazety sy ny mpanao gazety.

Nisy fandaharana natao koa, nifandray tamin’ny asan’io sampan-draharaha io ihany, mba hampisehoana tamin’ny rehetra ilay vidéo hoe Fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie. Sambany vao naseho vahoaka ny fanontana alemà amin’ny vidéo Fermeté, tamin’ny 6 Novambra 1996, tao amin’ny toerana fahatsiarovana ny toby fitanana any Ravensbrück, izay nanagadrana Vavolombelon’i Jehovah maro. Nisy mpanao gazety sy mpahay tantara malaza tonga nijery izany.

Nisy olona sesehena maherin’ny 269 000, tamin’ny fitambarany, no tonga nijery ny fampisehoana 331 an’io vidéo io izay nisokatra ho an’ny rehetra, hatramin’ny 1 Septambra 1998. Tsy ny Vavolombelona ihany no tonga nijery, fa tao koa ny solontenan’ny mpanao gazety sy ny mpitondra fanjakana ary ny sarambaben’ny olona. Gazety an-jatony maro no namoaka lahatsoratra momba ireny fampisehoana ireny, ary nanao filazana tsara avokoa izy rehetra. Tamin’ireo fampisehoana vidéo ireo, ny 176 dia nisy fampirantiana niompana tamin’ny fanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah.

Maro kokoa noho ny hatramin’izay ny solontenan’ny fampitam-baovao mitovy fihetseham-po amin’ity mpanao gazety ity, izay nanoratra tao amin’ny Meissner Zeitung tamin’ny Novambra 1993 hoe: “Misy mihevitra fa manaraka an-jambany sy befahatany fampianarana ara-baiboly izay tsy mijery ny zava-misy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho gaga izy ireo hahita fa tena fantatry ny Vavolombelona tsara i Jesosy Kristy, ilay Modeliny, ary nanjary nanana fiainana misy zava-kendrena izy ireo noho izany fahalalana izany.”

Mbola miorina mafy ihany, 50 taona atỳ aoriana

Maherin’ny 50 taona izay no lasa hatramin’ny nanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Alemaina avy tany amin’ny toby fitanana. Tsy nivalona ho tantara tsy tsaroana intsony anefa ny tsy fivadihan’izy ireo. Amin’ny alalan’izany no mbola anaovana fanambarana mahery amin’izao tontolo izao. Mbola velona tamin’ny fotoana nanoratana an’ity, ny sasany amin’ireo izay tsy nety nampandefitra ny finoany tany amin’ny toby fitanana, ary mbola be zotom-po eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah toy ny tamin’izany fotoana izany ihany izy ireo. Ny fijoroany amin-kerim-po dia manaporofo fa afaka miaro ny vahoakany i Jehovah. Nisolo vava ny namany an-jatony maro tahaka azy ny sasany tamin’ireo tafavoaka velona avy tany amin’ny toby fitanana. Henoy ange izay nolazainy e, ary mariho ny taonany (teo am-piandohan’ny taona 1998) voasoratra ao anaty fonon-teny:

Heinrich Dickmann (95): “Tany Sachsenhausen, dia noterena hijery ny namonoana an’i August zandriko lahy teo anatrehan’ilay toby iray manontolo aho. Afaka nahazo fanafahana teo no ho eo aho, raha niala tamin’ny finoako. Tsy nanaiky lembenana anefa aho, koa hoy ny lehiben’ny toby: ‘Eritrereto tsara ilay izy, ary jereo hoe hafiriana no mbola mety hahavelomanao.’ Izy, fa tsy izaho, no maty rehefa afaka dimy volana. Izao no teny filamatra narahiko: ‘Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.’ Mbola izany ihany no arahiko.”

Änne Dickmann (89): “Raisiko ho fampiofanana nanampy ahy hihazona ny tsy fivadihako teo anatrehan’i Jehovah, ilay Mpamorona sy Mpanome Aina lehibe [ny zavatra nodiaviko tany amin’ny toby fitanana]. Nanjary ampoky ny soa kokoa ny fiainako, ary nanjary akaiky kokoa an’Andriamanitra aho, noho ireny zavatra nodiaviko rehetra ireny. Ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra no nanosika ahy, nandritra ireny taona rehetra ireny. Tsy nisy nanery ahy mihitsy hanao izany.”

Josef Rehwald (86): “Afa-po aho rehefa manao jery todika iny fotoam-pitsapana sarotra iny, satria na dia teo aza ny fanerena sy ny fijaliana, dia nitana ny finoako sy ny fialanalanana kristianina aho. Miaiky mafy aho fa noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha irery ihany no nahatonga ahy ho tafavoaka velona! Mbola mafy kokoa noho ny tamin’izany fotoana izany ny fiekeko amin’izao fotoana izao, ary iriko ny hanohy hijoro tsy hanaiky lembenana amin’ny fiandaniako amin’Andriamanitra.”

Elfriede Löhr (87): “Rehefa mahatsiaro ireo zavatra nodiaviko nandritra ny valo taona nigadrako teo ambany fitondran’i Hitler aho, dia afaka milaza fa tsy nisy zavatra tsy nampoizina. Mazava tamin’izany fa ady mafy sy fanenjehana ny lalan’ny fahamarinana, etsy an-daniny, ary anefa koa fifaliana sy fandresena, etsy an-kilany. Tsy heveriko ho lanilany foana na tsy nitondra soa ny fotoana lany tamin’izany.”

Maria Hombach (97): “Miboiboika hafaliana ny foko, satria fantatro fa nanana tombontsoa tsy manam-paharoa nanaporofo ny fitiavako sy ny fankasitrahako an’i Jehovah aho, tao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay nahatsiravina. Tsy nisy nanery ahy hanao izany! Mifanohitra amin’izany aza fa ireo fahavalonay no nitady hanery anay, ka nandrahona anay mba hitarika anay hankato an’i Hitler fa tsy hankato an’Andriamanitra. Tsy nahomby anefa izy ireo! Nadio ny feon’ny fieritreretako, ka faly aho na dia tao am-ponja aza.”

Gertrud Poetzinger (86): “Nomelohina higadra mitokana irery mandritra ny telo taona sy tapany aho. Rehefa avy nomelohina aho ka nentina niverina nankao amin’ny cellule, dia hoy ilay mpiambina: ‘Misaotra anao. Nankahery ahy hino an’Andriamanitra indray ianao. Aoka ianao ho be herim-po toy izao foana, ary dia tsy ho sahirana ianao hamakivaky ireo telo taona sy tapany.’ Marina tokoa izany! Fony aho nigadra nitokana irery no tena nahatsapako indrindra ny fitiavan’i Jehovah sy ny hery omeny.”

Eny, miorina mafy hatrany ireo tafavoaka velona avy tany amin’ny toby fitanana. Dimampolo taona mahery izay no lasa hatramin’ny nanafahana azy ireo, kanefa mbola manao fanambarana eo anatrehan’izao tontolo izao sy mbola manome fiderana an’i Jehovah ihany ny tsy fivadihan’ireny Vavolombelona ireny. Izany ka fampaherezana ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra!

Mbola tsy vita ny fitoriana ny vaovao tsara eto Alemaina. Taorian’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, dia maherin’ny 800 000 000 ora no natokana tamin’ny firesahana tamin’ny olona teto momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany, ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Alemaina dia nisy vokany teo amin’ny fiainan’ny olona tany amin’ny tany maro hafa. Tsy mihevi-tena ho antokom-pirenena mitokana izy ireo, fa mihevi-tena ho anisan’ny fianakaviana maneran-tanin’ny mpivavaka amin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina.

Porofo nisongadina ny amin’izany firaisan-tsaina iraisam-pirenena izany no hita tamin’ny 1998, rehefa nisy olona 217 472 nanatrika ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” dimy natao teto Alemaina. Nisy solontena avy tany amin’ny tany maro; natao tamin’ny fiteny 13 ilay fandaharana manontolo. Nantitranterin’ireo fivoriambe ny ilana haneho fahatokiana sy fikirizana hatrany eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia tapa-kevitra ny hanohy haneho tsy fivadihana amin’ny fanarahana ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah eto Alemaina.

[Sarintany, pejy 79]

(Jereo ny boky)

ALEMAINA ATSINANANA

Hambourg

Meckenheim

Selters

Francfort

Wiesbaden

Reutlingen

Munich

ALEMAINA ANDREFANA

Berlin

Magdeburg

Glauchau

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 69]

Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fanjakana Mandresy”, Nuremberg, 1955

[Sary, pejy 73]

Nanampy mpiavy maro handray soa avy tamin’ny fahamarinana ara-baiboly ny Vavolombelona alemà

[Sary, pejy 88]

Tranon’ny Betela tany Wiesbaden tamin’ny 1980

[Sary, pejy 90]

Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana). Laharana anoloana: Günter Künz, Edmund Anstadt, Ramon Templeton, Willi Pohl. Eo aoriana: Eberhard Fabian, Richard Kelsey, Werner Rudtke, Peter Mitrega

[Sary, pejy 95]

Ny sasany amin’ireo Efitrano Fivoriambe folo ampiasaina eto Alemaina

1. Glauchau

2. Reutlingen

3. Munich

4. Meckenheim

5. Berlin

[Sary, pejy 99]

Martin sy Gertrud Poetzinger

[Sary, pejy 100, 101]

Tranon’ny sampana eto Selters

[Sary, pejy 102]

Misionera sasany avy eto Alemaina izay manompo any an-tany hafa: 1) Manfred Tonak, 2) Margarita Königer, 3) Paul Engler, 4) Karl Sömisch, 5) Günter Buschbeck

[Sary, pejy 110]

Nisy zavatra vita an-tsoratra maro nalefa tany Eoropa Atsinanana, raha vao nesorina ny fandrarana

[Sary, pejy 118]

Fivoriambe tao Berlin, 1990

[Sary, pejy 124]

Efitrano Fanjakana naorina voalohany tatsy Alemaina Atsinanana teo aloha

[Sary, pejy 132, 133]

Fandaharam-pitokanana teto Selters (aseho etsy ambony), avy eo dia tao amin’ireo kianja enina nanerana an’i Alemaina

[Sary, pejy 139]

Fitaovana anoherana ny fanazavana diso maro be

[Sary, pejy 140, 141]

Na dia voatana tany amin’ny toby fitanana (izay nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny telozoro volomparasy) aza ireto Kristianina tsy nivadika ireto (aseho eto tao Brandebourg tamin’ny 1995), dia niorina mafy tamin’ny finoany hatrany

[Sary, pejy 147]

Etsy amin’ny pejy manaraka, manaraka ny fihodin’ny famantaranandro: Heinrich Dickmann, Änne Dickmann, Gertrud Poetzinger, Maria Hombach, Josef Rehwald, Elfriede Löhr