Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Alemaina

Hoy i Jesosy Kristy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, (...) dia halan’izao tontolo izao”. (Jaona 15:19). Aoka ny tenanao mihitsy no hamaky ny dikan’izany ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Eo am-pamakiana izany, dia ho hitanao fa, na teo aza ny fankahalana, dia nitondra soa ho an’ny olona any amin’ny tany maro izy ireo.

Malawi

Any amin’ny tapany atsimoatsinanan’i Afrika no misy an’i Malawi, izay tany manana hakanto voajanahary tokoa. Sariaka sady vonon-kanampy ny mponina ao aminy, amin’ny ankapobeny. Nisy fotoana anefa, tsy ela izay, nitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah tao Malawi tamin’ny fomba nanafintohina ny olona naneran-tany. Manome ohatra miavaka ny amin’ny tsy fivadihana ao anatin’ny fahoriana, ny fitantarana ny fiaretan’izy ireo tamim-pahatokiana.

Orogoay

Tsy mihevitra ny fivavahana ho zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny ankamaroan’ny Orogoayanina. Efa hatramin’ny 75 taona anefa, no anambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin-jotom-po amin’izy ireo fa manana fahafahana ny ho tonga olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Maherin’ny 10 000 no nanaiky ilay fanasana. Tato anatin’ireo 20 taona faramparany monja, dia nitombo avo roa heny mahery ny isan’ireo manao izany fanambarana iankinan’ny aina izany any Orogoay.