Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malawi

Malawi

Malawi

TONGA SOA eto amin’ny fo feno fitiavana mafanan’i Afrika! Noho ny toe-taniny antonony tsara sy ny mponiny sariaka, dia tena tany manafana ny fo ary manan-javatra maro manintona tokoa i Malawi. Ny manintona indrindra ny maro dia ny hafatra milaza ny fahamarinana ara-baiboly mahafaly ny fo, torin’ny Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra, maherin’ny 40 000.

Nisy fotoana anefa, tsy ela loatra izay, niatrehan’ireo mpanompon’Andriamanitra manetry tena ireo, fahoriana be. Tsy nanehoan’ireo mpiara-belona taminy fisakaizana nafana izy ireo, fa nampiharany afom-panenjehana nivaivay sy horohoro kosa, izay mampahatsiahy ny vono moka natao tamin’ny Jiosy sy ny Inquisition tamin’ny Moyen Âge. Ny fitantarana momba izay nanjo azy ireo sy ny fomba niaretany dia ohatra miavaka ny amin’ny tsy fivadihana ao anatin’ny fahoriana. Alohan’ny hilazanay ny tantaran’izy ireo anefa, dia andeha isika hanao topy maso an’ilay tany mihitsy.

Topy maso an’i Malawi

Na dia tany tena kely aza i Malawi, dia manana tendrombohitra sy ony ary farihy kanto isan-karazany izay azony ireharehana izy. Ny mampitambim-bava indrindra dia ny Tendrombohitra Mulanje any atsimo. Avy eo amin’ny faritra iva manodidina, rakotry ny voly dite maitso mavana erỳ ambany izy io no mijoalajoala hatrany amin’ny 3 002 metatra ambonin’ny ranomasina, ka izany no mahatonga azy ho ny tendrombohitra avo indrindra eto amin’ity faritra amin’i Afrika ity. Ny zava-manintona be mpahalala indrindra angamba anefa, dia ny Farihy Malawi izay 580 metatra ny halavany. I David Livingstone, ilay mpamantatra tany vaovao fanta-daza, dia niantso azy io hoe “ny farihin-kintana”, noho ny fanjelanjelatry ny masoandro eo amboniny. Toa hoe ahitana karazan-trondro an-jatony maro ao anatiny, mihoatra noho izay hita ao anatin’ny farihy hafa eto an-tany.

Mahatonga ny olona hahatsiaro ho raisina an-tanan-droa ny toetra sariakan’ireo mponina 11 tapitrisa eto Malawi. Mora velon-tsiky mafana izy ireo ary vonon-kanampy. Miharihary koa ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra. Efa ho zato taona eo ho eo izao no nahafahana nampiasa ny Baiboly tamin’ireo fiteny lehibe ampiasaina eto Malawi, dia ny chichewa sy ny yao ary ny tumbuka. Manana Baiboly iray, fara fahakeliny, saika ny ankohonana rehetra, ary olona maro no mamaky tsy tapaka azy io. Mahantra ny ankabeazan’ny tera-tany eto Malawi, kanefa nahita harena ara-panahy betsaka tao anatin’ireo pejin’ny Baiboliny ny sasany amin’izy ireo, rehefa nanaiky ny fanampiana natolotry ny Vavolombelon’i Jehovah.

Efa hatrany am-piandohan’ity taonjato ity no nanombohan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi. Tamin’ny fomba tena nanaitra no nampidirana azy io tamin’ny olona teto.

‘Toy ny afo nidedadeda nampirehitra ny bozaka’

Ny tantaranay dia manomboka amin’i Joseph Booth, olona iray mahaliana saingy samy hafa ny hevitry ny olona momba azy. Narehitry ny hafanam-po izy rehefa avy namaky zavatra vita an-tsoratra sasany an’ny Fikambanana Watch Tower, ka nihaona tamin’i C. T. Russell tamin’ny 1906. Noreseny lahatra ny Rahalahy Russell ny amin’ny nilana solontena iray an’ny Fikambanana Watch Tower atỳ amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Koa satria efa niasa taloha teto Malawi, na Nyassaland araka ny niantsoana azy tamin’izany, i Joseph Booth, dia toa nety ho sarobidy ny fanampiany. Tsy fantatry ny Rahalahy Russell anefa ny laza ratsin’io rangahy io tatỳ amin’ity faritra amin’ny tany ity. Nanjary fantatra tamin’ny hoe “mpijapy fivavahana” izy io, araka ny nilazalazan’ny mpanoratra iray azy tatỳ aoriana, noho ny nanararaotany nisesy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, mba hanatratrarany ny tanjony manokana. Ho vokany, dia tena tsy tian’ny manam-pahefana teto an-toerana i Booth, ary tsy noraisina tsara intsony mihitsy teto Malawi. Mbola nahomby indray anefa io “mpijapy” za-draharaha io!

Noho ny fahafantarany fa tsy afaka nanketo Malawi nivantana ny tenany, dia nanorina fototra tany Afrika Atsimo aloha i Booth. Tany no nihaonany tamin’i Elliott Kamwana, olom-pantany taloha avy eto Malawi. Tsy ela dia nasain’i Booth niverina teto an-tanindrazana io tovolahy io. Rehefa tonga i Elliott Kamwana, tamin’ny 1908, dia nanomboka nitory ampahibemaso. Niorina tamin’ny zavatra vita an-tsoratra sasany an’ny Fikambanana Watch Tower ihany ny hafatra nampitainy, saingy nohazavainy araka izay saim-pantany fotsiny. Tamin’izany fotoana izany i McCoffie Nguluh no nahita voalohany ny fahamarinana. Loholona nahatoky izy, fony izy maty, taona vitsivitsy lasa izay. Nolazalazainy ho toy ny “afo nidedadeda nampirehitra ny bozaka” ny fitorian’i Kamwana. Tena niely haingana marina tokoa, sahala amin’ny doro tanety nanerana an’i Malawi ny vokatry ny fitorian’i Kamwana, noho ny fanaovany batisa an-kalamanjana, nanaitra ny saina. Olona an’arivony maro no nanaraka azy, ka “kôngregasiôna” maro no niorina tsy ela.

Samy tsy nisy niala tamin’i “Babylona Lehibe” akory anefa, na i Booth na i Kamwana. (Apok. 17:5; 18:4). Antony ara-politika no tena nanosika azy roa lahy. Tsy ela dia nisarika ny sain’ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana teto Malawi ireo fomba fitory nampisalasala nampiasain’i Elliott Kamwana ary tsy nankasitrahan’izy ireo. Tsy ela izy dia natao sesitany tany Seychelles. Tamin’ny 1910 dia efa nifindra tany an-toeran-kafa koa i Joseph Booth, ka nifarana teo ny fifandraisany tamin’ny Fikambanana Watch Tower. Nampalahelo fa betsaka kokoa ny ratsy vitan’izy roa lahy ireo noho ny tsara, saingy nisy lafin-javatra iray nanavotra dia izao: Zavatra vita an-tsoratra maro nirakitra fahamarinana ara-baiboly no voazara nanerana an’i Malawi. Nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka, dia nandray tamim-pankasitrahana izay novakiny ny olona tso-po toa an’i McCoffie Nguluh.

Miteraka fisafotofotoana ireo “fihetsiketsehana Watch Tower”

Taorian’iny fanombohan-javatra tsy nahafa-po teto Malawi iny, ny Fikambanana dia naniraka an’i William Johnston, rahalahy iray nahay tsara, avy any Glasgow, any Ekosy, mba hamotopototra momba ilay toe-javatra. Hitany fa maro tamin’ireny nantsoina hoe kôngregasiôna ireny no efa niorina, kanefa tsy ampy ny fahazoan’izy ireny ny fahamarinana ara-baiboly. Nisy olona sasany tena nikatsaka ny fahamarinana anefa. Nampiofana lehilahy tera-tany vitsivitsy avy tamin’ireo mba hitari-dalana, ny Rahalahy Johnston, talohan’ny nifindrany tany Afrika Atsimo. Ela be tatỳ aoriana indray vao nasiam-piheverana ny asa teto Malawi. Nisy fisafotofotoana nahatsiravina nitombo ka nahatonga fahoriana ho an’ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ary nisedra ny tsy fivadihany.

Ho fanahafana ny fahaiza-mambabo olona nampiasain’i Elliott Kamwana, dia nisy fihetsiketsehana maro nipoitra izay nampifangaro ny fahamarinana ara-baiboly sasany tamin’ireo foto-pampianaran-diso sy fanao tsy araka ny Soratra Masina. Koa satria somary nampiasa ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ihany ireny fihetsiketsehana ireny, dia matetika no nampidiriny tao amin’ny anarany ny hoe Watch Tower. Nahatonga zava-nanahirana ho an’ireo tena rahalahinay vitsivitsy teto an-toerana izany. Tena mahavariana fa tsy nanjavona tanteraka akory ny asan’ireny tena rahalahy ireny, na dia samy tsy nananany aza ny fiandraiketana araka ny tokony ho izy sy ny sakafo ara-panahy nilainy. Mbola nanohy niara-nivory sy nanao fanambarana tamin’ny hafa hatrany ihany anefa ry zareo, sady niezaka nanaraka ny dian’i Jesosy Kristy. — 1 Pet. 2:21.

Nanararaotra ny toe-javatra ireo mpitondra fivavahana teto an-toerana ka nanaratsy an’ireo Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny filazana tamim-pitaka fa ireo no ilay fihetsiketsehana nisandoka ny anarana hoe Watch Tower. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary niharihary mazava ny fahasamihafana teo amin’ireny sekta teto an-toerana ireny sy ireo rahalahinay. Nahatonga ny lehiben’ny polisy hanao famotopotorana ny tatitra nampikorontan-tsaina avy tamin’ireo anisan’ny mpitondra ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, tany am-piandohan’ireo taona 1920. Nanao fitafiana tsy nahafantarana azy izy, ary nanatrika maromaro tamin’ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Ny fihetsiny? Naharikoriko azy ny lainga feno haratsiam-panahy naely momba azy ireo. Na izany aza, dia nitohy nandritra ny taona maro ny fisafotofotoana naterak’ireny “fihetsiketsehana Watch Tower” sandoka ireny.

Fandaminana ny asa

Nampitodika ny sainy ho amin’i Malawi indray ny Fikambanana tamin’ny 1925. Nijanona 15 volana teto i John Hudson, ka nanao lahateny tany amin’ireo kôngregasiôna. Niezaka izy nanampy ireo rahalahinay hahatakatra ny maha zava-dehibe ny hifandraisana hatrany tamin’ny Fikambanana Watch Tower, izay nampiasain’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, sy ny hanekena ny fitarihan-dalana sy ny toromarik’izy io. — Matio 24:45-47, NW.

Iray tamin’ireo nandray soa tamin’ny fitsidihan’ny Rahalahy Hudson teto Malawi i Gresham avy any Ntcheu. Tamin’ilay taona nahatongavan’ny Rahalahy Hudson teto Malawi ihany no nanaovana batisa an’i Gresham. Avy hatrany izy dia niatrika fitsapana lehibe. Noho ny fampirisihan’ireo mpitondra tao amin’ny fiangonany taloha, dia nampangaina ho nampianatra ny olona hanongam-panjakana izy. Nampidirina am-ponja izy vokatr’izany. Inona no hataony? Hahatonga azy handa ny finoany ve ny tahotra? Iray volana tatỳ aoriana, rehefa avy nanao famotopotorana ny manam-pahefana tany amin’ny faritany, dia afaka nadiodio tamin’ilay fiampangana azy ny Rahalahy Kwazizirah ka nafahana. Ny mbola zava-dehibe lavitra anefa, dia ny hoe efa tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah sy ny fandaminany izy. Afaka nampiasa olona naneho toe-tsaina toy izany i Jehovah. Taorian’ny fe-potoana niasany tany Mozambika, dia nahazo tombontsoa maro ny Rahalahy Kwazizirah rehefa nandray anjara tamin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy ny fampiorenana ireo kôngregasiôna teto Malawi. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana [frantsay] 1 Febroary 1973.)

Hita koa fa tena nandrisika an’i McCoffie Nguluh sy i Junior Phiri ny fitsidihan’ny Rahalahy Hudson. Nifindra tany Afrika Atsimo izy mirahalahy ireo tatỳ aoriana, ary samy nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro. Nandray soa avy tamin’ny fiarahany tamin’i John Hudson koa i Richard Kalinde. Talohan’ny nandehanany, ny Rahalahy Hudson dia nandamina ny hiandraiketan’i Richard Kalinde ny fitoriana ny vaovao tsara mandra-pahatongan’ny fanampiana amboniny.

Tsy ny rehetra anefa no faly tamin’ny fitsidihan’ny Rahalahy Hudson. Nilazalaza momba ny fihetsiky ny sasany tamin’ireny ny Rahalahy Nguluh. “Tsy avy amin’ny lehilahy avy any Le Cap no handraisanay ny fampianaranay”, hoy izy ireny. “Araka izay heverinay fa marina no hataonay.” Tsy vonona ny hanaiky ny fitarihan-dalan’ny Fikambanana izy ireny, ka nanorina ny “fihetsiketsehana Watch Tower” azy manokana. Tetsy an-danin’izany, ireo izay tena nitady ny fahamarinana dia nanana fihetsika naneho fanetren-tena kokoa. Nifandray hatrany tamin’ny biraon’ny Fikambanana tany Afrika Atsimo izy ireo, ary naneho fankasitrahana ny toromarika sy ny tari-dalana nomena tamin’ny alalan’io fitaovana io. Tsy ela dia nanjary niharihary tamin’ny sampana tany, fa nila fanampiana bebe kokoa io antoko kely voaforon’ny olona tso-po sy liana io.

Solontena maharitra iray ho an’ny taninay

Tamin’ny 1933 dia nisy fisehoan-javatra iray nampientam-po teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi. Natao ny fangatahana mba hananan’ny Watch Tower Bible and Tract Society solontena maharitra iray teto. Nilaza ny mpitondra fa “hankasitrahany ny fanaovan-javatra toy izany”, ka dia nekeny ilay fangatahana. Ela ny ela ka nisy fandaharana azo natao mba hanohizana ny fitoriana ny vaovao tsara teto Malawi, tamin’ny fomba nirindra kokoa. Nifanaraka tamin’izany, dia naorina tamin’ny May 1934, teo ambany fitarihan-dalan’ny sampana tany Afrika Atsimo, ny toerana fitahirizana zavatra vita an-tsoratra, sy ny birao iray, ary i Bert McLuckie no niandraikitra ny asa.

Somary mbola zazavao tamin’ny fahamarinana ihany ny Rahalahy McLuckie, satria tamin’ny 1930 izy no natao batisa. Niharihary fa mpisava lalana tena nahita vokatra anefa izy tany amin’ireo toerana nanendrena azy teo aloha, dia i Madagasikara sy i Maorisy. Rehefa tonga teto Malawi izy, dia nahazo trano kely nisy efitra roa tao Zomba renivohitra, any atsimo. Natao ho an’ilay fitahirizana zavatra vita an-tsoratra sy birao ny efitra iray; natao efitrano fandriana kosa ilay faharoa. Nolazain’ny Rahalahy McLuckie, izay mbola mpitovo tamin’izany fotoana izany, ho toera-manirery “nitondra andraikitra be mbola tsy nisy toy izany”, io toerana vaovao nanendrena azy io.

Nanampy be dia be azy i Richard Kalinde, izay nanjary namany akaiky. Ny asa lehibe indrindra aloha dia ny fampisindana an’ilay fisafotofotoana nanjo ireo rahalahinay, ho vokatry ny fisian’ireo “fihetsiketsehana Watch Tower” sandoka. Tsy sarotra araka ny nanampoizana azy ilay izy. Voalohany aloha, ny ankabeazan’ireo manam-pahefana dia niaiky fa tsy nisy ifandraisany tamin’ilay tena Fikambanana Watch Tower ireo sekta teto an-toerana. Afa-tsy izany koa, ny birao tany Afrika Atsimo dia nanome toro lalana mazava an’i Bert McLuckie ny amin’ny fomba hikarakarana ilay toe-javatra. Narahiny an-tsakany sy an-davany izany, ka notsidihiny tsirairay ny groupes teto amin’ny faritra rehetra amin’i Malawi, ary ny Rahalahy Kalinde no mpandika teniny. Nanampy olona maro mba tsy hanohana intsony an’ireo “fihetsiketsehana Watch Tower” sandoka sy ny mpitarika azy, izany fitsidihana ny kôngregasiôna izany.

Niharihary ny fitahian’i Jehovah. Tafaorina ny fandaminana teôkratika natanjaka iray tamin’ny farany. Sambany koa vao nangonina ireo tatitra momba ny fanompoana teny amin’ny saha, izay nahitana mpitory 28 tamin’ny antsalany, tamin’ny 1934.

Fanendrena vaovao tao amin’ny toerana fitahirizana entana tao Zomba

Voantso tany Afrika Atsimo indray i Bert McLuckie rehefa avy niasa herintaona teo ho eo teto Malawi. Taorian’izay izy dia nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana tany amin’ny faritra hafa any atsimon’i Afrika, nandritra ny 60 taona mahery, mandra-pahafatiny tamin’ny 1995. Ny mpianakavin’i McLuckie iray hafa, dia i Bill rahalahiny, no nisolo azy teto Malawi.

Talohan’izay i Bill McLuckie dia mpisava lalana tany Afrika Atsimo, na dia mbola tsy vita batisa aza. Nanontanian’i George Phillips mpikarakara ny sampana tany Afrika Atsimo i Bill, raha ho tiany ny handray fanendrena ho eto Malawi. Rehefa nanaiky izy, dia nilazana hoe: “Mazava ho azy fa tsy maintsy atao batisa aloha ianao.” Natao batisa i Bill, ary tonga tao amin’ny toerana fitahirizana entana tao Zomba tamin’ny Martsa 1935. Enina amby roapolo taona izy tamin’izay. Nampiseho ny tsy fivadihany teto Malawi tao anatin’ny fahoriana be io rahalahy mahatoky io, mandra-pandroaka azy tamin’ny 1972.

Nanao ahoana ny toe-javatra tamin’ireny andro tany am-boalohany ireny? Mbola tsaroan’i Bill McLuckie, izay 89 taona tamin’ny 1998, ary mipetraka any Afrika Atsimo miaraka amin’ny fianakaviany, ny fahateren’ilay toerana fitahirizana entana tao Zomba. Hoy izy: “Tsy nihoatra ny 1,4 metatra ny haben’ny efitrano fandriana. Somary nihiboka ilay izy, hany ka navelako hivoha foana ny varavarankely tamin’ny alina, mandra-pahatongan’ny fotoana nampidiran’ny polisy iray ny lohany teo, indray alina, ka nilazany hoe: ‘Aleo hidiana ireto varavarankely ireto, Bwana [Tompokolahy]. Mandehandeha etỳ an-dalana etỳ mantsy ny leoparda amin’ny alina.’ Dia nohidiako ireo varavarankely.”

Na sarotra aza ny toe-piainana, dia hita fa nisy tombony betsaka ny fananana ilay toerana fitahirizana entana tao an-drenivohitra. Koa satria teo akaiky ireo biraom-panjakana sy ny foiben’ny polisy, dia afaka nanao zavatra haingana ny Rahalahy McLuckie raha vao nisy fiampangana ny Fikambanana noho ny mbola nampifangaroan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo “fihetsiketsehana Watch Tower” sandoka. Toy ny nataon’ilay rahalahiny teo alohany ihany, dia niara-niasa tamim-paharetana tamin’ireo manam-pahefana i Bill McLuckie mba hampisava izay tsy fifankahazoan-kevitra rehetra. Nanjary tsara laza ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanadiovana ny fandaminana

Niara-niasa mafy tamin’ireo rahalahy i Bill McLuckie mba hampiorenana fankasitrahana an’ireo fari-pitsipik’i Jehovah voasoritra ao amin’ny Baiboly. Tafiditra tamin’izany ny fanampiana ireo rahalahy hahatakatra fa tsy afaka ny hanan-toerana eo amin’ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanao tsy araka ny Soratra Masina toy ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny spiritisma ary ny fidorohana zava-pisotro misy alkaola. (1 Kor. 6:9, 10; Apok. 22:15). Nitondra fanampiana sarobidy tamin’io asa io i Gresham Kwazizirah. Nanompo be dia be teo amin’ny asa fitetezam-paritany izy, indrindra fa tany avaratr’i Malawi. Nilaza azy ho “olona matotra sy nanao ny marina”, ny Rahalahy McLuckie. Nanjary fantatra noho ny fanohanany tamim-pahatokiana ireo fari-pitsipika marina ao amin’ny Baiboly tamin’ny fotoana rehetra, ny Rahalahy Kwazizirah. Isaky ny tojo olona nanaraka fitondran-tena naloto, kanefa nihambo ho nanompo an’i Jehovah, ny Rahalahy Kwazizirah, dia sahiny ny niteny nifanatrika tamin’izany olona izany. Raha niaiky ny fitondran-tenany tsy kristianina izy ireny, dia nesorin’ilay rahalahy ireo zavatra vita an-tsoratra teny aminy, tamin’ny filazana fa tsy tena Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nosakanany tsy handray anjara intsony tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha koa izy ireo. Maro no nanadio ny fiainany ho vokatry ny fanaovan-javatra hentitra toy izany. Ny Rahalahy Kwazizirah no nitatitra tamin’alahelo fa nanaraka fanao tsy nifanaraka tamin’ny fomba fiaina kristianina i Richard Kalinde. Noho izany, dia tsy azo nampiasaina intsony mba hisolo tena ny fandaminana madion’i Jehovah io rahalahy be zotom-po taloha io.

Noho ny Vavolombelon’i Jehovah tsy nilefitra raha ny amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony ao amin’ny Baiboly, dia nanjary fantatra ho vahoaka nihazona tsy fivadihana izy ireo. Hita fa fiarovana ho azy ireo izany matetika.

Nanjary niharihary ny fitahian’i Jehovah ny fandaminana iray madio, satria nitombo ny isan’ireo nidera azy tamim-paharisihana. Tamin’ny 1943, dia 2 464 isam-bolana ny salanisan’ny mpitory, izay nifanerasera tamin’ny kôngregasiôna 144. Izany ka fitomboana tsara dia tsara, avy tamin’ny mpitory 28 monja, folo taona talohan’izay!

Nofohazina i Malawi

Nandritra ny 1944, dia tena nanintona be ny sain’ny mponina teto Malawi mihitsy ilay fitenenana hoe “Tontolo Vaovao”, izay nampiasaina matetika tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Araka ny nohazavaina tao amin’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny, dia nanondro ny fandehan-javatra vaovaon’i Jehovah izy io — fitambaran’olona vaovao hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izay eo an-tanan’i Jesosy Kristy. (Dan. 7:13, 14; 2 Pet. 3:13). Avy tao amin’ny Baiboly no nampisehoan’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny fa ao amin’ilay tontolo vaovao dia ho tonga paradisa ny tany; hiara-monina amim-pihavanana amin’ny biby ny olombelona; hitsahatra ny ady; hatao ho an’ny rehetra ny vokatry ny tany; tsy hisy aretina sy fahafatesana intsony; na dia ny maty aza dia hatsangana ka homena fahafahana hiaina mandrakizay. — Sal. 67:5, 6; Isaia 2:4; 11:6-9; Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29; Apok. 21:3, 4.

Toy izao no nanazavan’ny rahalahy iray izany, rehefa nanao lahateny momba io foto-kevitra io izy, ka nampiasa zavatra mahazatra eto an-toerana: “Fony nanota i Adama, dia mbola tsy nisy zanaka naterany tao amin’ilay zaridaina; tany anaty ‘akata’ avokoa no teraka izy rehetra, ary mbola ao anaty ‘akata’ ihany isika, ry havako isany. Mbola tsy tafaverina ao amin’ilay zaridaina isika. Akaiky anefa izao ny fotoana handaozantsika ity tontolon’ny matekenya (karazana parasy lafrika) ity, ka hidirantsika ao amin’ilay tontolo vaovaon’i Jehovah tafaorina tanteraka.”

Nisy vokany lehibe aoka izany ireo lahateny momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, hany ka tao amin’ny faritra iray teto Malawi, dia nanaraka an’ireo rahalahy nitety tanàna ny olona liana maro be, nigoka ireo fampanantenana Paradisa ao amin’ny Baiboly. Tany amin’ny faritra iray hafa, rehefa avy nihaino lahateny momba ny tontolo vaovao ny mpitondra fivavahana maromaro teo an-toerana, dia voatosik’izay nianarany ka niara-nirohotra tany amin’ny misionera eoropeanina iray ary nilaza hoe: “Nahoana no nafeninareo taminay izany zavatra izany? Izao izahay dia mahita tanora lahy sy vavy mitsidika ny olona mba hilaza aminy zavatra faran’izay mahatalanjona mbola tsy reny mihitsy! Izahay anefa nasainareo nitory foto-pampianarana izay miharihary ankehitriny fa diso!”

Nihoatra ny 3 000 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Malawi tamin’ny 1946, ary tena nofohazin’ireo rahalahy tokoa ny olona teto.

Mazava ho azy, fa tsy ary faly tamin’ny hafatra momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra avokoa akory ny olona rehetra. Teo aloha, ny fitondram-panjakana dia nandrara ny fampidirana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower izay niresaka momba io tontolo vaovao io. Tsy nisy fiantraikany firy anefa izany, satria efa nisy tahirin-javatra vita an-tsoratra betsaka teto. Mba hiezahana hanohitra ny herin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao, dia nanandrana naka tahaka ny fiteny sy ny fomba ampiasain’ny Vavolombelona ny mpitondra fivavahana sasany. “Mba mitory ny tontolo vaovao koa izahay”, hoy ny filazan’izy ireo. Nisy aza nanandrana niverina nitsidika an’ireo mpiangona tao aminy, kanefa tao anatin’ny herinandro vitsivitsy dia nitsahatra.

Niezaka mafy koa ireo mpitondra fivavahana mba handresy lahatra an’ireo mpiadidy ny tanàna tsy hamela ny Vavolombelon’i Jehovah hitory tao amin’ny faritaniny. Fanao mantsy ny nangataka fanomezan-dalana avy tamin’ny mpiadidy alohan’ny hanaovana lahateny tao an-tanàna. Raha teo ambany fitaoman’ireo mpitondra fivavahana teo an-toerana anefa ilay mpiadidy, dia tsy nisy fivoriana ampahibemaso azo natao tao.

Maro anefa ny mpiadidy nandray an-tanan-droa ny Vavolombelon’i Jehovah. Matetika ireo rahalahy no nahazo fanasana ho tonga hanao lahateny. Nisy raiamandrenin’ny tanàna iray nandre lahateny toy izany tao amin’ny tanàna kely nantsoina hoe Lizulu, izay nianarany momba ny tena toetran’ny maty. (Mpit. 9:5; Ezek. 18:4). Nanatrika fotoam-pandevenana notarihin’ny mpitondra fivavahana izy, fotoana fohy taorian’izay. Nilazana ny mpanatrika teo fa “anjely any an-danitra ankehitriny” ilay zaza nodimandry. Ningonongonona ilay raiamandrenin’ny tanàna, nananosarotra nitsangana ary nitodika tany amin’ilay mpiadidy lefiny mba hangataka paraky. Narapany izany, ary dia nilaozany ilay toerana sady hoy izy: “An an an, renay tany Lizulu hoe aiza ny maty, fa lainga daholo izay voalaza teo!”

Fitsidihana iray manokana

Nisy fisehoan-javatra iray tena manokana tamin’ny Janoary 1948, fony nitsidika an’i Malawi i N. H. Knorr sy i M. G. Henschel, avy tamin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn, New York. Io no fitsidihana voalohany nataon’ny rahalahy avy tamin’ny foibe maneran-tany. Nisy fivoriana iray nalamina tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Blantyre ho an’ireo Eoropeanina sy Karàna nipetraka tao amin’io tanàna io. Rehefa heverina fa tsy nisy afa-tsy Eoropeanina 250 nipetraka tao Blantyre tamin’izany fotoana izany, dia nampahery ny nahita mpanatrika 40 nihaino ilay lahateny ampahibemaso. Ny ampitson’io, dia nanatrika fivoriambe iray an-kalamanjana natao ho an’ireo rahalahy afrikanina, ireo rahalahy mpitsidika. I Bill McLuckie, izay efa niteny chichewa nisosa tsara tamin’izay, no mpandika teny. Nisy mpanatrika 6 000 tamin’ny lahateny ampahibemaso ny tolakandro. Koa satria tsy nisy fitaovana fanamafisam-peo, dia voatery niteny mafy ireo rahalahy nandray anjara tamin’ilay fandaharana, mba handrenesan’ny rehetra. Nisy fotoana nanapahan’ny oram-be an’ilay lahateny, ka nanomboka niparitaka mba hialoka teny amin’ny hazo na trano teo akaiky, ny besinimaro. Tsy nihetsika kosa anefa ireo Vavolombelona, ary namita hatramin’ny farany ny lahateniny ny Rahalahy Knorr sady nielo. Ny nijanonan’io mzungu (vazaha) io teo amin’ny orana mba hamita ny lahateniny ho an’ny mpanatrika afrikanina, dia nampiseho tamin’ny besinimaro fa tena niahy ny amin’izay hahasoa azy ireo marina ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy ho nanao izany mihitsy ireo Eoropeanina teto an-toerana.

Nanome fanentanana nahatalanjona ho an’ny asa ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr sy ny Rahalahy Henschel. Tamin’io taona 1948 io, dia nihoatra ny 5 600 ny isan’ny mpitory, ary tonga nanatevin-daharana haingana dia haingana ireo vaovao. Sarotra ny nahita faritany ampy hitoriana tany amin’ny toerana sasany!

Nanomboka ny asan’ny sampana

Nandritra izany fotoana izany, dia nafindra avy tao Zomba nankany Blantyre, izay foibe ara-barotra, ny toerana fitahirizana entan’ny Fikambanana. Avy eo, tamin’ny 1 Septambra 1948, rehefa avy teo ambany fanaraha-mason’ny sampana tany Afrika Atsimo nandritra ny taona maro ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi, dia nisy biraon’ny sampana naorina teto, ka i Bill McLuckie no mpikarakara ny sampana voalohany. Azo nokarakaraina nivantana teo ambany fanaraha-mason’ny foibe maneran-tany izao ny zavatra nilain’ny saha teto Malawi.

Tamin’izany fotoana izany, dia efa nisy rahalahy matotra sy za-draharaha maromaro afaka ny ho mpikarakara ny fizaran-tany mba hitsidika ireo kôngregasiôna ka hanatanjaka ireo rahalahy. Natao indroa isan-taona ireo fivoriamben’ny fizaran-tany, ary i Gresham Kwazizirah no mpikarakara ny distrika ho an’i Malawi manontolo. Tena be zavatra natao koa i Bill McLuckie tao amin’ny birao — matetika izy no niasa teo amin’ny milina fanoratany hatramin’ny mangiran-dratsy.

Mbola be anefa ny tokony hatao, ary nilaina ny fanampiana amboniny. Koa noraisina an-tanan-droa àry i Peter Bridle sy i Fred Smedley, izay samy nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, rehefa tonga tamin’ny 1949. Izy ireo sy ny hafa koa izay nahazo diplaoman’i Gileada, no nanome ny fanampiana tena nilaina ho an’ilay mpikarakara ny sampana izay tototry ny asa. Azo natao izao ny nanisy fiheverana bebe kokoa ny fomba fiasan’ireo kôngregasiôna sy ny fizotran’ireo fivoriambe.

“Tsy ho vitako mihitsy ity!”

Ny fahatongavana teto Malawi, indrindra fa tamin’izany fotoana izany, dia nety ho fiovana nampahatahotra ho an’ny olona avy any Eoropa na avy any Amerika Avaratra. Tsy nisy ireo zavatra maoderina nampiadana izay nety ho nahazatra azy taloha. Tsy nahitana fitaovana elektrika tatỳ anaty akata afrikanina. Izay mety hoheverin’ny olona tera-tany ho anisan’ny fiainana ara-dalàna, dia mety hampahory ny vahiny. Ahoana no hahatonga ny misionera vaovao ho zatra?

Nahatsiaro ireo zavatra voalohany namela soritra naharitra teo aminy i Peter Bridle. Izany dia ny fotoana nahatongavany teto Malawi, taorian’ny dia lavitra sady namizana tamin’ny fiarandalamby, avy tany amin’ny seranan’i Beira, any Mozambika, ka hoy izy: “Vao nilatsaka indrindra ny alina fony izahay tonga teo amin’ny Ony Shire, tamin’ny farany. Nisy voangory vaventy nanidina teny rehetra teny. Nitangorona nanodidina ireo jiro izy ireo ka nanakona azy ireny tanteraka. Hita teny amin’ny hatoky ny olona izy ireo, nandady teny ivelany sy tany anatin’ny fitafiany. Hoy aho tamin’i Jehovah: ‘Tsy tantiko ity. Tafahoatra loatra amiko ity. Tsy ho vitako mihitsy ity!’ Avy eo dia nita ilay ony izahay ary niditra tao anatin’ilay lamasinina tao amin’ny gara. Ambany dia ambany ny hazavan’ny jirony. Takatro vetivety foana ny antony. Natao mba hisakanana ireny bibikely ireny tsy hiditra ilay izy. Norosoana sakafo izay nanomboka tamin’ny lasopy izahay. Zara raha afaka nahita ilay olon-kafa teo ampitan’ny latabatra izahay, satria ambany loatra ny hazavan’ny jiro. Rehefa nihinana ilay lasopy izahay dia notrohinay teo anelanelan’ny nifinay ilay izy mba tsy hitelemana ireo bibikely, ka hoy aho tamin’i Jehovah: ‘Mitalaho aminao aho, tena tafahoatra ity indray mandeha ity ka. Tsy ho vitako ity!’ ”

Tamin’ny dia iray natao tao amin’io faritra io ihany, tatỳ aoriana, dia sahirana ny Rahalahy Bridle teo am-panaovana lahateny ampahibemaso. Nahoana? Hoy izy nanazava: “Tsy nampino ny nafitsoky ny moka. Fony aho nanao lahateny indray takariva, dia nasisiko tao anaty ba kiraroko ny pataloako. Nisy servieta nandrakotra ny lohako ary nasisika tao anaty lobako. Nasiako elastika nanodidina ny tanan’akanjoko mba tsy hisy hiseho afa-tsy ny tanako sy ny tarehiko ihany. Tamin’ny alalan’ny mpandika teny no nanaovako ilay lahateny. Nilaza fehezanteny iray aho dia nandroaka ireo moka teo amin’ny tarehiko. Samy nofafako indray ny tanako sy ny tarehiko avy eo. Raha vao tapitra ny tenin’ilay mpandika, dia nilaza fehezanteny hafa iray aho ary dia toy izany hatrany.”

Na dia teo aza ireny toe-javatra ireny, dia vitan’i Peter Bridle sy ny hafa tahaka azy ihany ilay izy, noho ny fanampian’i Jehovah. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro ny ankamaroan’ireo misionera voatendry teto Malawi. Nitondra fitahiana maro ho an’ny saha teto Malawi ny fiezahan’izy ireo tamin’ny fanahy manontolo.

Rahalahy tera-tany matotra maro kokoa

Nandritra izany fotoana izany, dia rahalahy tera-tany maro kokoa no nandroso ho amin’ny fahamatorana kristianina. Nandray soa avy tamin’ny fiarahana tamin’ireo misionera koa ireny rahalahy ireny. Iray tamin’izany rahalahy izany i Alexander Mafambana — Alex, araka ny niantsoana azy matetika. Olona tena nahay i Alex. Teraka tany Mozambika izy, zanakalahin’ny lehibe iray, ary tokony ho nandimby an-drainy. Taorian’ny nifindrany tany Afrika Atsimo mba hitady asa anefa, dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Alex ary nahazo fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinana ara-baiboly. Nanatsoaka hevitra izy fa hahatonga azy hampandefitra ireo foto-pitsipika kristianina ny fanaovana izay zavatra antenaina amin’ny lehibe iray. Mba hisorohana zava-nanahirana, dia nanapa-kevitra ny hiorim-ponenana teto Malawi izy. Tsy ela dia nanjary mpisava lalana ny Rahalahy Mafambana, ary tamin’ny 1952, dia nanomboka nanampy tao amin’ny biraon’ny sampana tao Blantyre izy. Tena nanampy indrindra teo amin’ny fikarakarana ireo taratasy avy teny amin’ny saha ny fahaizany fiteny maromaro. Nanana fahafahana hanatrika ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera izy tamin’ny 1958/1959, ary nahazo diplaoma niaraka tamin’ilay kilasy nisy an’i Jack sy i Linda Johansson, izay voatendry ho eto Malawi koa.

I Kenneth Chimbaza no rahalahy hafa iray izay nianatra ny fahamarinana tany Afrika Atsimo. Niverina teto Malawi izy taorian’ny batisany tany, tamin’ny 1942. Tsy ela ny Rahalahy Chimbaza dia nanome porofon’ny fananany ireo toetra mampiavaka ny Kristianina matotra. Rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny fotoana kelikely izy, dia nanompo ela be tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany. Faly niara-niasa tamin’ny Rahalahy Chimbaza sy i Elisi vadiny ary i Maimba zanak’izy ireo lahy kely, ny sasany tamin’ireo misionera tonga tatỳ aoriana kokoa. Tamin’izany fomba izany no nampahafantarana azy ireny ny fomba fiaina eto Malawi.

Hita fa ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ sarobidy tokoa, ny rahalahy matotra toy ireny. — Efes. 4:8, NW.

Mampandroso ny fitomboana ireo misionera

Maro no mbola manana fahatsiarovana mamy an’ireo misionera nanompo tamim-pahatokiana teto Malawi, indrindra fa ireo Vavolombelona efa hatramin’ny ela, izay nanana fahafahana niara-niasa tamin’izy ireny tamin’izany andro izany. Ny sasany tamin’ireny misionera ireny dia nahita fa nitaky ny hanaovany fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiainany ny asa vaovao nanendrena azy, kanefa nanosika azy hanao izany ny fitiavana.

Tonga teto i Malcolm Vigo tamin’ny 1957, fony izy mbola mpitovo. Taorian’ny sakafo tamin’ny alina voalohany nahatongavany tao amin’ny biraon’ny sampana, dia niriny mafy ny hahafantatra hoe inona ny asa hanendrena azy. I Lonnie Nail, izay nahazo diplaoman’i Gileada, ary tonga herintaona taloha kokoa sady mpikarakara ny sampana tamin’izay, dia nampahafantatra azy fa hotendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany izy. Aorian’ny fianarana ny fiteny na aorian’ny fotoana nizàrana tamin’ilay tany ve? Tsia, tsy nisy ny fandaharana toy izany tamin’izany fotoana izany. Nanomboka ny ampitson’iny ihany izy!

Vetivety foana ireo misionera voatendry ho amin’ny asa fitetezam-paritany dia nahafantatra fa ho fanampin’ny fitsidihana ireo kôngregasiôna, dia tokony ho mécaniciens koa izy ireo raha toa ka hitondra fiarakodia. Hitan’izy ireo koa fa mazàna dia lala-masaka zara raha hita tany anaty akata fotsiny ireo lalana. Mazava ho azy fa nankasitraka ny fiezahan’ireny mpitety faritany ireny ireo rahalahy tera-tany, ka nataony izay rehetra azony natao mba hanamora kokoa ny fiainan’izy ireny. Mazàna no nisy trano nitafo bozaka sy kabine nadio namboarina mba hampiasain’ilay misionera sy ny vadiny, raha nanambady izy. Fa ho an’ireo anabavy izay niara-nitety faritany tamin’ny vadiny, dia nety ho nampahatahotra be ireo feo hafahafa tamin’ny alina! Nila fotoana elaela izy ireo vao zatra ny “hehy” mampihoron-koditr’ireo hyènes (karazana alikadia) sy ny “ôrikesitry” ny feom-bibikely isan-karazany.

Tsaroan’i Jack Johansson fa tena zava-tsarotra ho azy mihitsy ny fanomanana fivoriambe tany anaty akata. Nodiovina aloha ilay toerana, ary avy eo, tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia namboarina avy tamin’ny fitaovana hita tany anaty akata ihany ny zava-drehetra. Faly nanolotra ny fanampiany anefa ireo rahalahy sy anabavy, tanora sy antitra. Tao amin’ny toerana iray nanaovana fivoriambe tany akaikin’i Mulanje, dia nanatona ny Rahalahy Johansson ny rahalahy zokiolona iray miramiran-tava, ka nilaza hoe: “Mba ta hanampy amin’ity asa ity koa aho.” Toa tsy nisy naha hafahafa an’izany. Fantatry ny Rahalahy Johansson anefa tatỳ aoriana fa hay ilay rahalahy efa nanao dia an-tongotra 800 kilaometatra teo ho eo nandritra ny iray volana, mba hahatongavana teo amin’ilay toerana nanaovana ny fivoriambe. Ary ny zavatra voalohany nataony rehefa tonga izy, dia ny nanolo-tena hanampy tamin’ny fanorenana ireo toerana hanaovana ny fivoriambe! Tamin’ny fananany toe-tsaina feno fahavononana toy izany, ireo rahalahy sy anabavy dia nanova ilay akata ho “kianja” iray azon’ny olona 6 000 nipetrahana!

Nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fandaminana an’ireo kôngregasiôna sy fizaran-tany teto Malawi, ireo misionera. Nanao asa tsara tamin’ny naha mpiandraikitra ny distrika azy, ny rahalahy toa an-dry Hal Bentley, Eddie Dobart, Keith Eaton, Harold Guy, Jack Johansson, Rod Sharp sy Malcolm Vigo. Nandray tsara ny torohevitra sy ny fitarihan-dalana feno fitiavana nomena azy, ireo Vavolombelona tera-tany. Nanjary voalamina tsara kokoa ireo fivorian’ny kôngregasiôna sy ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana, ho vokatr’izany. Tetsy an-danin’izany, dia niorina mafy tao amin’ny fahamarinana ireo rahalahy sy anabavy, ho fiomanana amin’ny fahoriana niandry.

Nahazo fanambarana ireo Eoropeanina

Voatendry hiasa tao amin’ny biraon’ny sampana ny sasany tamin’ireo misionera rehefa nandeha ny fotoana, ary tena be zavatra natao foana koa izy ireo tao. Izany dia nanome fahafahana ho an’ny sasany tamin’ireo anabavy vadin’izy ireo hanao fanambarana tao amin’ny faritany nisy Eoropeanina, tao Blantyre sy Zomba. Nanao asa tsara betsaka tao amin’io faritany io i Phyllis Bridle, i Linda Johansson, i Linda Louise Vigo, sy i Anne Eaton, ary ny hafa koa. Nitsara an-tendrony ny asanay indraindray ireo Eoropeanina, noho ny mbola nampifangaroana anay foana tamin’ireo “fihetsiketsehana Watch Tower” matetika. Nampiasa tsara ny fahafahana nananany anefa ireo anabavy ireo mba hanitsiana ny toe-javatra ka niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireny.

Nanana ny fandraharahany manokana, na koa nanana fifanekena momba ny asa izay nampidi-bola be ny ankabeazan’ny Eoropeanina sy ny Aziatika teto Malawi. Afa-po tamin’ny toe-javatra nisy azy teo amin’ny fiainana izy ireny, tamin’ny ankapobeny. Na izany aza, dia nandray tsara ny fahamarinana ny Eoropeanina sasany sy ny tera-tany sasany niteny anglisy. Nisy vitsivitsy natao batisa, ka ny iray taminy dia tao amin’ny baignoire fandroan’ny Betela!

“Fifampaherezana”

Rehefa niaraka elaela tamin’ireo rahalahy sy anabavy tera-tany ireo misionera, dia nitombo ny fifankahazoan’ny samy hafa firazanana teo anivon’izy ireo. Voalaza tsara toy izao tao amin’ny taratasy fohy nosoratan’i Alex Mafambana ho an’ny namany misionera sasantsasany izany: “Raha misy koa atao hoe ‘hantsana’ eo amin’izao tontolo izao, dia ilay mampisaraka ny Atsinanana sy ny Andrefana izay. Fa raha ny amintsika kosa, dia manana ilay fehy mampiray mafy indrindra voaforona hatramin’izay isika, dia ny agape!” Toy inona moa ny fahasamihafan’izany amin’ny fihetsik’ireo any ivelan’ny fandaminan’i Jehovah! Mazàna mantsy ny Eoropeanina no nihevi-tena ho ambony noho ny Afrikanina ka tsy nifandray firy tamin’izy ireny. Na izany aza, dia nisy zavatra iray nilaina nohazavaina. Tsy inona izany fa ny fampiasan’ireo rahalahy tera-tany an’ilay anaram-boninahitra hoe Bwana. Nampiasainy matetika io anaram-boninahitra io rehefa niarahaba Eoropeanina, anisan’izany ny misionera. Toa nilaza izy io fa tompo na sefon’ny Afrikanina ny Eoropeanina. Koa isaky ny niantso ny misionera iray tamin’ilay anaram-boninahitra hoe Bwana àry ny rahalahy tera-tany iray, dia nampahatsiahy azy toy izao ilay misionera: “Mpirahalahy ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy Bwanas!”

Tsy nandeha ila ny soa noraisina. Niana-javatra betsaka avy tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny afrikanina, ireo misionera. Maro no nanjary nanorina fisakaizana mafy orina. Araka ny tenin’ny apostoly Paoly dia nisy ny “fifampaherezana”. — Rom. 1:12, NW.

Fiderana an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny hira

Izay rehetra mijanona elaela eto Afrika dia mahamarika vetivety foana fa tia mihira ny olona eto. Tsy ampiarahiny na amin’inona na amin’inona izany, fa ny feon’izy ireo fotsiny no ampiasainy ary mirindra mahafinaritra erỳ ilay izy. Tsy maningana amin’izany i Malawi. Na dia fony mbola tsy nisy fihirana tamin’ny fiteny chichewa aza, dia namorona ny hirany manokana ireo rahalahy. Nalainy ny feon-kiran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina be mpitia, ka novany ny tonony mba hihirana momba ilay Fanjakana sy ny fanompoana ary ny Haramagedona. Na dia tsy nosoratana aza ireny hira ireny, dia hain’ny rahalahy rehetra ka nohirainy tsara. Tany amin’ireo fivoriambe, rehefa niakatra ny hafanam-po, dia nohirainy indroa fa tsy indray mandeha monja, ilay tapany haverina isan’andininy! Nihetsi-po aoka izany noho io firindrana nahafinaritra io ny Rahalahy Knorr, fony izy tonga nitsidika tamin’ny 1953, hany ka hoy izy tao amin’ny tatitra nataony: “Tsy maintsy marihina fa nahafinaritra tsy toy ny nahazatra ny hira.”

Rehefa tonga tao amin’ny sampana ilay fihirana vaovao tamin’ny teny anglisy hoe Songs to Jehovah’s Praise, an’ny Fikambanana, tamin’ny 1950, dia tapaka ny hevitra fa tokony hisy fihirana amin’ny teny chichewa koa. Ahoana anefa no azo ampianarana an’ireo rahalahy mba hamaky mozika? Nahay nihira avokoa izy rehetra, saingy tsy zatra namaky naoty. Nanapa-kevitra ny sampana fa hampiasa famakiana solfa, izay mampiasa ny “do, re, mi” ho fomba fanoratana naoty. Efa nianatra azy io tany an-tsekoly ny rahalahy sasany. Tsaroan’i Peter Bridle, izay nanao ezaka be tamin’io tetik’asa io, izay tafiditra tamin’izany. Hoy izy: “Nipetraka niaraka tamin’ireo mpandika teny izahay, ka niasa tamin’ilay izy. Tsy maintsy nataonay azo antoka fa nifanitsy tsara tamin’ny feon’ny mozika ireo teny nadika. Koa vitanay tsikelikely àry ilay fihirana.”

Faran’izay tian’ireo rahalahy ilay fanontana ny Songs to Jehovah’s Praise tamin’ny teny chichewa. Nataon’ny sampana pirinty tamin’ny milina tranainy iray ilay izy ary nampiasana izay taratasy nety ho hitany. Ho vokany, dia tsy tena mafy ireny fihirana tany am-boalohany ireny ka nilaina nosoloana matetika. Tsy nampaninona an’ireo rahalahy anefa izany. Faly izy ireo rehefa nanana ny hira natao hohiraina. Fihirana roa na telo arivo no nalain’ireo rahalahy isaky ny nisy fivoriambe! Tatỳ aoriana, dia noraisin’i Brooklyn ny fanaovana ny fanontana an’io fihirana io, kanefa 50 000 teo ho eo tamin’izany no efa vitanay teto an-toerana tamin’izay!

Trano vaovao ho an’ny sampana

Nandritra ny taona maro, ny fanaraha-maso ny asan’ilay Fanjakana teto Malawi dia natao avy tany amin’ny toerana maromaro samy hafa, ary tao amin’ny trano tery mazàna. Noraisina anefa ny fanapahan-kevitra tamin’ny 1955, fa hisy trano iray haorina ho an’ny biraon’ny sampana indrindra indrindra sy ho toeram-ponenan’ireo mpiasan’ny Betela. Koa nisy tany novidina àry tao Blantyre, tamin’ny 1956. Vonona mba hipetrahana ilay trano tamin’ny May 1958. Nientanentana erỳ ireo rahalahy!

Nahazo mpifanila trano fanta-daza be ny biraon’ny sampana, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanjary toeram-ponenana ofisialin’ny praiminisitra teto Malawi, dia ny Dr. Hastings Kamuzu Banda, ny Mudi House, ilay trano teo akaikiny.

Nampalahelo fa tsy nijanona ela teo an-tanan’ny Fikambanana izany trano tsara dia tsara izany, na dia teo aza ny asa mafy rehetra tafiditra tamin’ny fanorenana ilay biraon’ny sampana sy ilay Trano Betela.

Fitsidihana iray nampahery

Tonga nitsidika indray an’i Malawi i Milton Henschel avy tamin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana, tamin’ny 1963. Tonga teto izy, tsy ela taorian’ilay fivoriambe tany Liberia, izay niaretany, niaraka tamin’ny rahalahy sy ny anabavy tera-tany maro, fampijaliana ara-batana teo an-tanan’ny miaramila. Nisy fivoriambem-pirenena lehibe natao tany akaikin’ny seranam-piaramanidina, kilaometatra vitsivitsy tany ivelan’i Blantyre. Rahalahy avy any amin’ny faritra rehetra manerana an’i Malawi no tonga nanatrika izany, dia hatrany “Nsanje [any atsimo] ka hatrany Karonga [any avaratra]”, araka ny nilazan’ny rahalahy iray efa tao amin’ny fahamarinana hatramin’ny ela azy. Tena nankasitraka ireo lahateny tsara dia tsara nataon’ny Rahalahy Henschel sy ny mpandahateny hafa ireo mpanatrika sahabo ho 10 000. Mahalana ny fampahalalam-baovao no mba nanisy firesahana momba ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’io indray mandeha io anefa, dia nisy lahatsoratra momba ilay fivoriambe nivoaka tao amin’ny iray tamin’ireo gazetim-pirenena mihitsy.

Nihahenjana ny toe-draharaha ara-politika teto an-toerana, hany ka nampahery indrindra an’ireo rahalahy ny fanatrehana io fivoriambe io. Ren’izy ireo fa miandany mafy amin’ireo foto-pitsipiky ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Hoy ny Rahalahy Mafambana, mpitari-draharaha, momba io fivoriambe io: “Tadidio fa nandeha bisikileta maherin’ny [600 kilaometatra] nandroso ary maherin’ny [600 kilaometatra] niverina, ny solontena sasany. Nihevitra izy ireo fa andraikitry ny Kristianina ny manatrika fivoriambe, ka vonona izy ireo hiatrika fahasahiranana mba hahafenoana izany fepetra izany. Porofo izany fa rahalahy maro be no manana finoana kristianina mafy orina.”

Fambara toe-javatra ratsy

Tany am-piandohan’ireo taona 1960, dia nirongatra ny toe-tsaina tia fanindrahindram-pirenena teto Malawi. Araka ny fifanekena iray niaraha-nanao tamin’i Grande-Bretagne, dia tokony homena fahaleovan-tena feno i Malawi tany antenatenan’ny taona 1964, aorian’ny fifidianana faobe. Tetsy an-danin’izany, dia napetraka ho praiminisitra teto Malawi mbola zanatany, ny Dr. Banda. Talohan’io fifidianana faobe io, dia nisy fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana mba hisoratan’ny mpifidy anarana an-tsitrapo, teo anelanelan’ny 30 Desambra 1963 sy ny 19 Janoary 1964.

Tamin’io fotoana io ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi no tafiditra voalohany tao amin’izay nolazalazain’ny San Francisco Examiner (nivoaka tany Etazonia) tatỳ aoriana hoe “ady ara-pivavahana, (...) dia ady tena nandeha ila, nifanoheran’ny hery sy ny finoana”. Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no nanetsika ady. Mifanaraka amin’ny fampianarana ara-baiboly, izy ireo dia maneho fanajana an’ireo mpitondra ary mandoa ny hetrany noho ny feon’ny fieritreretana. (Lioka 20:19-25; Rom. 13:1-7). Kanefa, noho i Jesosy Kristy nilaza fa tsy ho “naman’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy, dia tsy momba ny atsy na ny aroa, na hoe mialanalana hatrany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny ady ifanaovan’ireo firenena sy ny raharaha ara-politikan’izy ireny. — Jaona 17:16; Asa. 5:28, 29.

Rehefa nirehitra ny hafanam-pon’i Malawi momba ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy, dia nampiasa ny zony tsy hisoratra anarana ny Vavolombelona. Rehefa voamarik’ireo tompon’andraikitry ny antoko anefa ny fialanalanan’izy ireo, dia nipoaka ny fanenjehana nahery vaika. Nisy ezaka natao mba hanerena ny Vavolombelona hiova hevitra ka hividy ny karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko. Nandritra izany fotoana izany, dia nisy tatitra voaray tao amin’ny biraon’ny sampana, nampiseho fa Efitrano Fanjakana maherin’ny 100 sy trano maherin’ny 1 000 fonenan’ireo rahalahinay no nodorana na nazera. Saha sy sompitra an-jatony maro no notselarana afo. Nampalahelo fa fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah maro no nanjary tsy nanan-kohanina na tsy nanan-kialofana, ho vokatr’izany. Nandositra mba hamonjy ny ainy ny sasany, ka lasa tany Mozambika teto akaiky. Maro no niaritra kapoka mafy. Anisan’ireny i Kenneth Chimbaza, izay mpiandraikitra mpitety faritany. Nodimandry izy, taona vitsivitsy monja taorian’izany fitondrana ratsy natao taminy izany, niharihary fa vokatry ny ratra nahazo azy.

Tsy fivadihana tao anatin’ny fisedrana

Maro be ny fitantarana momba ny fihazonana tsy fivadihana tao anatin’ny fanenjehana. Ohatra, nisy anabavy roa tsy lavitra an’i Blantyre izay nanana zanaka 11 tokony hokarakaraina. Samy resin’ny fanerena ara-politika ny vadin’izy ireo ka nividy karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko. Noterena hividy karatra izao ireo anabavy. Nanda izy ireo. Nilaza taminy ireo tompon’andraikitry ny antoko fa hiverina ny ampitson’io mba hahitana raha hiova hevitra ireo anabavy. Araka ny efa nampoizina, dia nisy vahoaka sesehena tonga haka azy ireo ny ampitso maraina. Nentina teny an-kalamanjana àry izy ireo, ka norahonana hosavihina sady nokapohina satria nanda tsy hividy karatry ny antoko. Tsy nilefitra ireo anabavy. Avy eo dia navela hody izy ireo, kanefa nentina niverina indray ny ampitson’io. Nokapohina indray izy ireo, ary nampitanjahina teo imasom-bahoaka tamin’io indray mandeha io. Mbola tsy nanaiky lembenana ihany ireo anabavy na dia izany aza.

Nanova ny fomba fiasany izao ireo mpanenjika. “Efa niantso an-telefaonina ny biraonareo izahay”, hoy izy ireo, “ary niresaka tamin-dry Johansson sy McLuckie ary Mafambana. Nolazainy taminay fa tokony hividy ny karatrareo, hono, ianareo, toy ny efa nividianan’izy ireo sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa rehetra eto [Malawi] ny azy. Koa ianareo roa vavy sisa, teto Malawi manontolo, no mbola tsy nividy karatra. Tsara kokoa raha mividy ny anareo dieny izao ianareo.” Izao no navalin’ireo anabavy: “Tsy manompo afa-tsy i Jehovah Andriamanitra izahay. Koa raha efa nividy karatra ireo anadahy any amin’ny biraon’ny sampana, dia tsy mampiova na inona na inona aminay izany. Tsy hanaiky lembenana izahay, na dia hovonoinareo ho faty aza!” (Ampitahao amin’ny Romana 14:12.) Tamin’ny farany, dia nafahana ireo anabavy roa.

Tsy nahay taratasy ireo anabavy roa nanetry tena sy nahatoky ireo, kanefa nanana fitiavana lalina an’i Jehovah sy ny lalàny. Ny tsy fileferan’izy ireo dia nampanakoako ny tenin’ny Salamo 56:11, manao hoe: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?”

Ezaka natao mba hanazavana ny toerana tananay

Rehefa nihanitombo ireo fisehoan-javatra lehibe, dia niezaka mafy ny Fikambanana mba hanaovana izay hampitsaharan’ireo manam-pahefana ilay fanenjehana. Natao izay hifandraisana tamin’ny biraon’ny praiminisitra ka dia azo natao ny nihaona tamin’ny Dr. Banda tamin’ny 30 Janoary 1964. Afaka nanazava tsara ny toeram-pialanalanana notanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, i Jack Johansson, tamin’io fotoana io. Niorina tamin’ny Romana toko faha-13 ny dinidinika nataony. Toa hita fa nahafaly tanteraka ny Dr. Banda, praiminisitra, izay voalaza ka nisaorany betsaka ny Rahalahy Johansson rehefa nandao azy.

Efatra andro monja tatỳ aoriana anefa, dia notafihina ny Vavolombelona vitsivitsy tany amin’ny faritr’i Mulanje. Novonoina ho faty tamin-kabibiana i Elaton Mwachande. Nisy zana-tsipìka iray nanatrobaka ny tendan’i Mona Mwiwaula, izay Vavolombelona efa zokiolona, ka noheverina fa maty izy. Nahavariana fa tsy maty fo aman’aina io anabavy io, ka ny fanambarana nataony no nampiasaina tatỳ aoriana mba hitondrana ireo mpirotaka ho any amin’ny fitsarana. Rehefa tonga tao amin’ny biraon’ny sampana ny vaovao momba io zava-niseho nahatsiravina io, dia nisy telegrama maika nalefa tany amin’ny biraon’ny praiminisitra.

Fihaonana hafa iray tamin’ny Dr. Banda sy ny roa tamin’ireo minisitra mpiara-miasa taminy, tamin’ny 11 Febroary 1964, no vokany. Niaraka tamin’i Jack Johansson i Harold Guy sy i Alexander Mafambana. Tena hafa anefa ny rivo-piainana tamin’ity indray mandeha ity. Nahofahofan’ny Dr. Banda ilay telegrama sady hoy izy: ‘Inona moa, Atoa Johansson, no tianareo hambara amin’ny fandefasana telegrama sahala amin’ity?’ Tamim-pahatoniana no nanandraman’ireo rahalahy nanome toky ny praiminisitra momba ny fialanalanana tananay, sy ny fankatoavanay ny lalàna eto an-toerana. Nanohitra anefa ny praiminisitra sy ireo namany tamin’ny filazana fa ninia nihantsy an’ireo mpanafika azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tsara ny fiafaran’ilay fihaonana, satria nampangaina ho tompon’andraikitra tamin’ilay fisafotofotoana teto Malawi ny Vavolombelon’i Jehovah. Norahonana horoahina teo no ho eo mihitsy aza ny Rahalahy Johansson. Toa hita anefa fa niantefa tany amin’ireo minisitra roa lahy ny fahatezeran’ny Dr. Banda. Tsy vitan’izy ireo mantsy ny nanome porofo marim-pototra ny amin’izay fihantsiana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mahaliana fa tamin’ny fitsarana natao taorian’ny namonoana ho faty ny Rahalahy Mwachande, dia tsy nahita porofo ny amin’izay fihantsian’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ireo mpanafika azy, araka ny nolazain’ny fanjakana, Atoa L. M. E. Emejulu, izay mpitsara nikarakara ilay raharaha. Toy izao no nambaran’ilay mpitsara: “Tsy hitako izay porofon’ny fihantsiana. Marina fa tapa-kevitra ny hampiely ny finoany ary miezaka hahazo olona hanaraka izany finoany izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nefa mahatsapa ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy izy ireo ka manao izay rehetra nasaina nataony. (...) Nanda fotsiny tsy hiaraka tamin’ny antoko politika na iza na iza izy ireo.”

Rehefa nihena ilay fientanentanana tamin’ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy, dia niangavy ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny filaminana teto Malawi, ny praiminisitra. “Aza omena fahasahiranana na ny Eoropeanina, na ny polisy, na ny Karàna, ary na dia ny Vavolombelon’i Jehovah aza”, hoy izy. “Mamelà azy ireo!” Tamin’ny Jolay 1964, tao anatin’ny fientanentanana be, dia nanjary repoblika nahaleo tena i Nyassaland zanatany, ka novany hoe Malawi ny anarany. Nifarana ilay fanenjehana tamin’ny farany, kanefa efa namarana tamin-kerisetra ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah valo aloha ilay izy.

Fe-potoam-pilaminana fohy

Rehefa nadiva hifarana ny taona 1964, dia tonga ny fotoana somary nilamina ihany ho an’ireo rahalahinay. Ny sasany tamin’ireo fahavalo be taloha dia nanjary liana ta hahafantatra bebe kokoa momba ny “tsiambaratelo” izay nahatonga ny olona nampitondrainy faisana tsy hilefitra na dia teo aza ny fanenjehana rehetra. Nandroso be indray ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana, ho vokatr’izany.

Tany am-piandohan’ny 1966, dia nisy fahafahana hafa indray hanazava tamin’ny Dr. Banda, ny fialanalanana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nangataka fahazoan-dalana hidiran’ny misionera maro kokoa teto Malawi ny Fikambanana Watch Tower. Koa satria ny Dr. Banda no nifehy ny famoahana fanomezan-dalana hiditra teto Malawi ho an’ny Eoropeanina, dia nanontaniany ny antony nilana misionera maro kokoa. Nitarika ho amin’ny fihaonan’ny Dr. Banda tamin’ i Malcolm Vigo, mpikarakara ny sampana, izany. Nohamafisin’ny Dr. Banda fa tsy tia olona nanao politika izy. Nanome toky azy indray ny Rahalahy Vigo fa mankato ny lalàna eo an-toerana izahay ary mialanalana eo amin’ny raharaha ara-politika. — Rom. 13:1-7.

Nitombo ny salanisan’ny mpitory ka nahatratra 17 000 mahery tamin’ny 1967. Nisy misionera mpivady fanampiny nahazo diplaoman’i Gileada, dia i Keith sy i Anne Eaton, tonga teto Malawi, nandritra io fe-potoana nilamina io. Rehefa nihaona tamin-dry Johansson tao amin’ny biraon’ny sampana izy mivady, dia hoy i Linda, nanome toky azy ireo tamin-kafanam-po: “Tonga eto amin’ny tany mandry feizay indrindra eto Afrika ianareo!” Tsy fantatr’izy ireo fa hay nisy fahasahiranana lehibe nokotrehina tao.

Niharatsy indray ny toe-javatra

Taorian’ny fianarana fohy ny fiteny, dia notendrena hanao ny asan’ny distrika i Keith Eaton, niaraka tamin’i Anne, vadiny. Teo am-piandohana, dia sambatra izy mivady nahazo fanampiana feno fitiavana avy tamin’i Kenneth Chimbaza sy ny fianakaviany. Vonona ny hanampy foana i Maimba kely, ka faly erỳ nivimbina ny kitapo fitondran’ny Rahalahy Eaton mitory, isaky ny nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ry zareo.

Tamin’ny Aprily 1967, fony nanao fivoriamben’ny fizaran-tany tao amin’ny tanàna kelin’i Thambo, tao amin’ny faritr’i Phalombe, ny Rahalahy Eaton, dia nandre fanambarana nampikorontan-tsaina tao amin’ny radio. Nampangain’ny Dr. Banda ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ninia nihantsy an’ireo tompon’andraikitry ny antoko sy ireo mpikambana tao amin’ny fihetsiketsehan’ny tanora fantatra tamin’ny hoe ny Tanora Mpisava Lalan’i Malawi ary ny Fikambanan’ny Tanoran’i Malawi. Nolazaina koa fa tsy vitan’ny hoe nanda tsy hividy karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko fotsiny ny Vavolombelona, fa nandresy lahatra ny hafa tsy hanao izany koa.

Toy ny tamin’ny 1964, dia natao vaindohan-draharaha ny amin’ny karatry ny antoko. Na dia an-tsitrapo aza ny fividianana ireny karatra ireny, dia noheverin’ireo tompon’andraikitry ny antoko fa tsy fanehoam-panajana kosa ny fandavana tsy hividy izany. Nolazaina, tatỳ aoriana, fa ny fividianana karatra dia “fomba iray ahazoantsika vahoakan’ity tany ity mampiseho fankasitrahana ny [Dr. Banda] noho ny fampandrosoany ity tanin’i Malawi ity”. Romotra noho ny tsy fileferan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io raharaha io ireo tompon’andraikitry ny antoko ka nanao ezaka indray mba hanerena ireo rahalahy hanaiky. Nanomboka tonga tao amin’ny sampana indray ireo tatitra momba ny fampahoriana sy ny kapoka.

Indray mandeha, i Malcolm Vigo dia nangatahin’ny tompon’andraikitry ny antoko mba hitsidika rahalahy iray avy any amin’ny Kôngregasiôna Jumbe izay nosamborina noho ny fandavany tsy hividy karatry ny antoko. Nivavaka mangina ny Rahalahy Vigo talohan’ny hidirany tao amin’ilay efitra. Niharihary hatreo am-piandohana fa nantenain’ireo tompon’andraikitra ireo ny hilazan’ny Rahalahy Vigo taminy hoe efa nambaran’ny Fikambanana Watch Tower mazava tamin’ireo mpikambana tao aminy fa tsy nety ny hividianana karatry ny antoko. Nifanohitra tamin’izany kosa fa nohamafisin’ilay rahalahy hoe ny Fikambanana dia tsy milaza na amin’iza na amin’iza izay tokony hataony. Ny tsirairay no tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny manokana momba io raharaha io. Tsy nahafaly an’ireo tompon’andraikitry ny antoko izany fanazavana izany. Nipoitra ny fanontaniana avy tamin’ny ankolafiny rehetra. May ny haningotra ny Rahalahy Vigo ireo tompon’andraikitra, hany ka mbola tsy voavaly akory ny fanontaniana teo aloha, dia efa napetrak’izy ireo sahady ny fanontaniana nanaraka. Nafahana ilay rahalahy tamin’ny farany, rehefa avy nalaina am-bavany nandritra ny adiny roa. Tsy nisy karatry ny antoko novidina.

Voarara!

Tonga tamin’ny fara tampony ny toe-javatra tamin’ny Septambra 1967, nandritra ny fivoriambe fanaon’ny antokon’ny mpitondra isan-taona, dia ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi. Toy izao no nambaran’ny iray tamin’ireo fehin-kevitra nolanina tao: “Manolo-kevitra amin’ny fomba hentitra [izahay] fa tokony hambara ho tsy ara-dalàna ny antokom-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Malawi.” Ny antony? Hoy ny nambaran’ilay fehin-kevitra: “Mahatandindomin-doza ny fandriampahalemana sy ny filaminana izay tena zava-dehibe ho an’ny fampandehanana tsara ny Fanjakana eto amintsika izy io.” Nanambara toy izao àry ny prezidà tao amin’ny lahateny namaranany ilay fivoriambe: “Mahatonga fahasahiranana hatraiza hatraiza ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia nandany fehin-kevitra iray ny Fivoriambe omaly, milaza fa tokony ho voarara ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no azoko lazaina aminareo: Azo antoka fa hikarakara haingana dia haingana an’io raharaha io ny Fanjakana.”

Tena ‘nahatandindomin-doza ny filaminana teto Malawi’ tokoa ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsy izany velively! Tatỳ aoriana, ny Vavolombelona teto Malawi dia nolazain’ny mpandinika iray fa “olom-pirenena fakan-tahaka” izay “mazoto mandoa hetra, mikarakara ny marary ary miady amin’ny tsy fahaizan-taratasy”. Na izany aza, dia ‘nikarakara haingana dia haingana ilay raharaha’ marina tokoa ny fanjakana. Tsy ela dia nosoniavina ny didim-panjakana iray momba ny fandrarana, ary nanomboka nanan-kery tamin’ny 20 Oktobra 1967 izy io. Nampahafantarina ny momba izany tamin’ny alalan’izao matoam-baovao tamin’ny sora-matevina lehibe izao ny firenena manontolo: “Mandrara Sekta ‘Mampidi-doza’ i Malawi”. Na dia nambara aza fa noho ny Vavolombelon’i Jehovah “nampidi-doza ho an’ny fanjakana tsaran’i Malawi”, no nanaovana izany zavatra izany, dia niharihary fa ny fandavan’izy ireo tsy hividy karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko no tena antony. Nifanaraka tamin’ny finoany niorina mafy tamin’ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nifidy tsotra izao ny ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. — Asa. 5:28, 29.

Nahomby ny fiomanana mialoha

Talohan’ny nampiharana ilay fandrarana, dia takatr’ireo rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampana fa hisy zavatra hataon’ny fanjakana hoentina hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tsy nampoizin’izy ireo aza ny fandrarana tamin’ny fomba feno, dia tena nanomboka naneho fitandremana mialoha ry zareo. Nisy fivoriana manokana natao tany amin’ny toerana maro samihafa teto Malawi mba hanomezana toromarika sy fampaherezana an’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika. Nisy toro lalana azo nampiharina nomena momba ny fivorian’ny kôngregasiôna, ny fanompoana teny amin’ny saha sy ny tahirin-javatra vita an-tsoratra ary ny fandefasana taratasy. Hita ho sarobidy izany fanazavana izany rehefa niharatsy ny toe-javatra.

Nazoto nanaraka an-tsakany sy an-davany an’ireo fanoloran-kevitra ny kôngregasiôna, arakaraka ny nahatongavan’izany tany aminy. Tsy nampiasaina intsony ireo taratasy fampiasan’ny Fikambanana. Nosoratana tamin’ny taratasy tsotra fotsiny ireo tatitra momba ny fanompoan’ny kôngregasiôna ary nalefa hoentin’ny mpitondra taratasy nankany amin’ny biraon’ny sampana. Niovaova ny oran’ny fivoriana, arakaraka izay nilain’ny kôngregasiôna tsirairay. Nisy kôngregasiôna iray nanapa-kevitra hanao ny fivoriany tamin’ny dimy ora sy sasany ny alahady maraina, talohan’ny nifohazan’ny mpiray tanàna. Fa raha ny amin’ny asa fitoriana kosa, dia tsy nisy fandrarana nahasakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Toy ny tamin’ny andron’ny apostoly, dia toy izao ny toerana notanan’ireo rahalahinay sy anabavinay nahatoky: “Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” — Asa. 4:20.

Fotoana fohy talohan’ilay fandrarana mihitsy, dia nahazo filazalazana avy tamin’ny loharano iray azo antoka ny biraon’ny sampana fa hoe niomana hanambara ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Government Gazette. Nanao zavatra nifanaraka tamin’izany àry ireo rahalahy ka namindra haingana tany an-tranon’ny rahalahy maro samihafa, ireo antontan-taratasy lehibe rehetra sy ny fitaovana sasany koa aza. Nalefa niala avy tao amin’ny sampana nankany amin’ireo kôngregasiôna nanerana an’i Malawi manontolo koa ireo tahirin-javatra vita an-tsoratra be dia be. Mba hiarovana izany sakafo ara-panahy sarobidy izany, dia nisy kôngregasiôna iray nameno boky ny barìka roa lehibe fasiana solika ka nandevina azy ireo mba ho azo ampiasaina atỳ aoriana. Rehefa tonga tao amin’ny sampana ny polisy tamin’ny farany, tamin’ny Novambra mba haka an-keriny ny tany sy ny trano, dia toa gaga ry zareo fa vitsy dia vitsy ny zavatra vita an-tsoratra sy ny antontan-taratasy ary ny fitaovana tao.

Noroahina ireo misionera

Araka ny efa nampoizina, dia nodidiana hiala teto Malawi ireo misionera vahiny. Talohan’ny nandehanan’izy ireo anefa, dia nataony izay azony natao mba hanatanjahana ireo rahalahy sy anabavy izay sarobidy taminy tokoa. I Malcolm Vigo dia nitsidika sy nampahery ireo rahalahy izay noravan’ny mpirotaka ny tranony. Iray tamin’ireny i Finley Mwinyere, mpiandraikitra ny fizaran-tany. Hoy ny Rahalahy Vigo: “Rehefa tonga izahay dia nahita ny Rahalahy Mwinyere nijoro, nijery ilay tranony kila forehitra. Ny zavatra nampahery dia ny toe-tsaina nasehony. Ny handeha hiverina avy hatrany mba hanatanjaka ny hafa izay niharam-pahavoazana tao amin’ny fizaran-taniny, no faniriany. Tsy resin’ny fiahiana tafahoatra ny zavatra nafoin’ny tenany izy.”

I Jack Johansson kosa dia nianavaratra nanketo Lilongwe mba hitsidika ireo rahalahy sy anabavy sahabo ho 3 000 tany am-ponja. Afaka niresaka tamin’ny maro tamin’izy ireo izy ka nampahery azy ireny. Mbola natanja-tsaina foana ry zareo. Raha ny marina, dia tsapan’ilay rahalahy fa nahazo fampaherezana koa ny tenany rehefa nandao azy ireo, ary nolazainy fa nanatanjaka finoana ilay fitsidihana. Nisy manam-pahefana tompon’andraikitra nilaza tamin’ny Rahalahy Johansson tatỳ aoriana fa nahamenatra ilay toe-javatra. Mba tsy hanononana afa-tsy zavatra iray monja naterak’ilay fandrarana, dia nambaran’io tompon’andraikitra io fa amin’izao izy simba izao, dia angamba tsy ho tafaverina amin’ny laoniny intsony mihitsy ny foibe mpanome herin’aratra teto Lilongwe. Tany am-ponja mantsy ireo mpiasa nahafatra-po indrindra sy azo nitokisana indrindra!

Tsy an-tsitrapo no nandaozan’ireo misionera vahiny valo mianadahy an’i Malawi. Raha ny amin’izy ireo, dia tsy nisy zavatra ratsy nataony. Naterina nivantana teny amin’ny seranam-piaramanidina narahin’ny polisy ry Sharp sy ry Johansson, ary nampidirina tao anaty fiaramanidina iray hiala teto Malawi. Nentina tany amin’ny Fonjan’i Chichiri ao Blantyre kosa ireo mpivady roa hafa. Nijanona alina vitsivitsy tao ry zareo — i Malcolm sy i Keith tao amin’ny cellule iray ary i Linda Louise sy i Anne tao amin’ny iray hafa. Avy eo, dia narahin’ny polisy ny fanaterana azy ireo tany amin’ny seranam-piaramanidina ary noroahina nankany Maorisy ry zareo. Notendrena hiasa tany Kenya ry Vigo sy ry Johansson tatỳ aoriana, ary tany Rhodésie kosa ry Eaton.

Tamin’alahelo no nandaozan’ireo misionera an’ireo rahalahy sy anabavy malalany. Tsy navela tamin’izao, tsy nisy fanampiana anefa ny Vavolombelona teto Malawi. Teo ireo mpiandry ara-panahy sy mpiandraikitra be fitiavana tao amin’ireo kôngregasiôna 405 nanerana an’i Malawi manontolo. (Isaia 32:2). I Alex Mafambana no nanara-maso ny asa teto an-toerana, ary nafindra tamin’ny sampana tany Zimbabwe (nantsoina hoe Rhodésie tamin’izany fotoana izany) ny fiandraiketana ny saha teto Malawi. Tamin’ireo taona nanaraka, dia nanao fandaharana ny sampana tao Harare, any Zimbabwe, mba handehanan’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ireo hafa izay nitari-dalana avy teto Malawi nankany Zimbabwe hanatrika fivoriamben’ny distrika sy hanaraka fampiofanana. Tamin’ny alalan’ireny rahalahy nahatoky ireny no nampitana tamin’ny kôngregasiôna ireo fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika.

Onjan-kabibiana vaovao

Rehefa nanjary fantatry ny besinimaro anefa ilay fandrarana, dia nitari-dalana teo amin’ny onjam-panenjehana vaovao nahatsiravina ireo tompon’andraikitry ny antoko sy ireo mpikambana tao amin’ny Tanora Mpisava Lalan’i Malawi ary ireo tao amin’ny Fikambanan’ny Tanora. Tsy nanan-kery hampitsahatra ny herisetra ny polisy sy ny fitsarana, na dia nangoraka aza izy ireo indraindray. Nokilasina ho voarara mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi.

Rehefa nihamafy ilay fanenjehana, dia nisy nandrava ireo Efitrano Fanjakana sy trano fonenana sy sompitra ary tranom-barotry ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny faritra rehetra teto Malawi. Tonga nitondra kamiao mihitsy ireo mpanafika tany amin’ny toerana sasany, mba hitaomana ny fananan’ny Vavolombelona. Na dia nety ho kely dia kely aza ny tokom-bidin’izany zavatra nafoy izany, dia ireny no mba hany fananan’ireo rahalahy sy anabavy teto Malawi.

Nisy tatitra momba ny kapoka koa voaray avy teto Malawi manontolo. Faran’izay nampahory ilay fanenjehana ho an’ireo anabavy malalanay sasany. Maro ny tatitra voaray momba ny fisavihana sy ny fanapahana rantsambatana ary ny fikapohana ireny vehivavy kristianina ireny. Tsy nitsimbina na iza na iza ireo mpanafika finaritra nampijaly olona. Niharan’izany fahoriana mafy feno fahasiahana izany na ny antitra na ny tanora, ary na dia ireo anabavy bevohoka sasany aza. Nisy afa-jaza ho vokatr’izany. An’arivony maro indray no voatery nandositra niala tao an-tanànany. Maro no nahita fialokalofana tany anaty akata. Ny hafa kosa lasa sesitany vonjimaika tany Mozambika teto akaiky. Ain’olona dimy hafa koa, fara fahakeliny, no nafoy noho ilay onjam-panafihana tsy mifaditrovana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny faran’ny Novambra 1967.

Fihetsika nanoloana ilay fandrarana

Tsy nahakivy ny Vavolombelon’i Jehovah na dia ireo kapoka feno halozana aza. Vitsy dia vitsy no nanaiky lembenana. I Samson Khumbanyiwa no iray tamin’ireo rava trano sy fanaka, ary nopotipotehina ny fitafiany rehetra, kanefa tsy rava ny finoany. Hoy izy tamim-piekena: “Fantatro fa tsy irery na oviana na oviana aho, ary niaro ahy i Jehovah.” Voninahitra ho an’i Jehovah ny tsy fivadihan’ireny lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana ireny — ho setrin’izao fihaikana nataon’i Satana izao: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” — Joba 2:4.

Nampifoha olona tso-po sasantsasany teto Malawi mihitsy aza ilay fanenjehana. Nifanaraka tamin’izay nambaran’ny tenan’i Jesosy Kristy mialoha izany. Rehefa avy nampitandrina ireo mpanara-dia azy izy hoe henjehina izy ireo, ary hoentina eo anatrehan’ny mpanapaka mihitsy aza, dia nofaranany tamin’izao teny mampahery izao ny teniny: “Hanjary ho fanambarana ho anareo, izany.” — Lioka 21:12, 13, NW.

Vokatr’ilay fanenjehana, raha ny marina, ny lehilahy iray izay nanohitra nandritra ny fotoana kelikely, ny zavatra nataon’ny vadiny Vavolombelona, dia nahazo fanampiana mba hahita tamin’ny fomba mazava kokoa ilay raharaha. Indray maraina, tapa-bolana latsaka taorian’ny nampiharana ilay fandrarana, dia nisy vahoaka romotra nanao bemidina tao an-tranony. Fantatr’izy ireo fa tsy Vavolombelona ilay rangahy, ka nilelalela izy ireo nilaza fa haka an’ilay ramatoa vadiny ihany no nahatongavany. Tsy novohany ny varavarana tamin’ny voalohany. Rehefa avy nandrahona ny handoro ilay trano niaraka tamin’ny olona rehetra tao anatiny anefa izy ireo, dia navelany hiditra ihany. Poatoizay dia nofatorana tamin’ny rojo vy ny tenany ary nasaina nividy karatry ny antoko izy. Takany tamin’izay fa tsy maintsy ho ny fivavahana marina ilay narahin’ny vadiny. Nanda tsy hividy karatra izy tamin’io andro io. Samy nokapohina izy mivady. Taorian’izay avy hatrany anefa, dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy. Herintaona tatỳ aoriana, dia nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah io rangahy io ka niaraka tamin’ny vadiny mba hanompo an’i Jehovah.

Na ny olona avy teto Malawi na ny tany ivelany dia samy velom-panahiana momba izay nitranga tamin’ireo Kristianina tsy nanan-tsiny ireo. Izao no re nolazain’ny sasany: “Fantatsika izao fa tsy maintsy ho efa manatona ny faran’izao tontolo izao isika, satria rarana eto amin’ny tanintsika ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra!” Nampipoitra fanoheran’ny olona avy tamin’ny vazan-tany efatra, ireo lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny May 1968 sy tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny Martsa 1968. Taratasy an’arivony maro no tonga nanao tohy vakana, naneho fahatezerana sady nampirisika ny fanjakana mba hanao zavatra hampitsaharana ireo habibiana. Nila fanampiana amboniny ny biraon’ny paositra sasany mba hikarakara io fahatongavan’ny taratasy tondraka tampoka io. Sady nahery aoka izany no nitohy hatrany ny fanoherana niraisam-pirenena an’io toe-javatra io, hany ka namoaka didim-panjakana ny prezidà tamin’ny farany, nanambara fa tsy maintsy hatsahatra ilay fanenjehana. Tatỳ aoriana dia nilaza mihitsy aza ny Dr. Banda fa tsy misy olona tokony hoterena hividy karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko. “Tiako hanana fahalalahana hanavao ny karany ny olona, ary hanao izany avy amin’ny fony fa tsy an-tery”, hoy izy. Nanomboka nitony tsikelikely àry ny onjam-panenjehana hafa iray. Namela ny sasany tamin’ireo rahalahintsika hiverina tany an-tranony izany, ka hanohy ilay asa lehibe fitoriana ilay Fanjakana. Fomba tsy nisarika ny sain’ny hafa loatra anefa no nampiasainy, satria mbola tsy foana ilay fandrarana.

Fiasana tamim-piafenana

Ny Rahalahy Mafambana no nikarakara tamim-pahatokiana ny asa teto an-toerana, nandritra izany fotoana izany. Nifandray hatrany tamin’ny sampana tany Rhodésie izy ka nandray fitarihan-dalana tonga tamin’ny fotoana nilana azy, tamin’ny alalan’io birao io. Nataon’ny polisy andry maso tsy an-kijanona anefa izy, hany ka voatery nitandrina be. Imbetsaka izy no efa saika voasambotra. Nampalahelo fa toa kansera no nahafaty azy tamin’ny 1969. Taorian’izay, dia i Kenneth Chimbaza no niandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi mandra-pahatongan’ny fotoana nahavoan’ny lotsi-dra ny atidohany ka nahafaty azy, tamin’ny 1971. Azo antoka fa hotsarovan’i Jehovah amim-pitiavana ny asa tsara maro nataon’ireo mpihazona tsy fivadihana mirahalahy ireo, rehefa ho tonga ny “fitsanganan’ny marina”. — Lioka 14:14; Heb. 6:10.

Nizatra tamin’ilay toe-javatra vaovao nisy azy ny rahalahy teto Malawi rehefa nihamora kokoa ny toe-piainana. Vetivety foana dia nanomboka nahitam-bokatra ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana. Niroborobo ny asan’ny mpisava lalana, na dia teo aza ilay fandrarana. Tamin’ny 1971, dia nisy mpisava lalana 925 nizara tamin-jotom-po ny vaovao tsara niaraka tamin’ny mpitorin’ny kôngregasiôna an’arivony maro. Mbola nisy mpisava lalana manokana iray ihany aza teo amin’ny lisitra, dia i Gresham Kwazizirah izay mbola nanompo tamin’ny tsy fivadihana hatrany nandritra ny fahanterany, na dia teo aza ny fahoriana maro sy ny fisedrana manokana maro nodiaviny. Nanohy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy mandra-pahafatiny mihitsy tamin’ny 1978.

Koa satria niseho ho “malina tahaka ny bibilava” ireo rahalahy, dia mbola tonga tany amin’ny biraon’ny sampana tany Rhodésie hatrany ireo tatitry ny kôngregasiôna sy ny taratasy hafa. (Matio 10:16, NW ). Nasehon’izy ireny fa tena nahomby ny asa fitoriana tamin-jotom-po natao tamim-piafenana. Tratra ny tampon’isan’ny mpitory 18 519 taloha kelin’ilay fandrarana tamin’ny 1967. Tamin’ny 1972, na dia mbola nanan-kery aza ny fandrarana ary maro no nandositra nankany Mozambika, dia mpitory nahatratra tampon’isa 23 398 no nanao tatitra, ary maherin’ny 16 ora no nanompoan’izy ireo isam-bolana, tamin’ny antsalany.

Nahazo fanambarana ireo “faritany vaovao”

Na dia nitandrina be aza ireo Vavolombelona rehefa nitory, dia mbola voasambotra ihany ny sasany ka naiditra am-ponja. Tsy kivy anefa izy ireo na dia izany aza. Mbola nanohy nitory ihany izy ireo, tamin’ny fampiasana ny fonja ho toy ny faritaniny vaovao.

Nijanona fito volana tany am-ponja i Baston Moses Nyirenda, tamin’ny 1969. Nanontany azy ny antony tsy niarahany tamin’izy ireo tao amin’ilay Fiangonana Nitambatra ny voafonja sasany. Fahafahana tsara dia tsara mba hanaovana fanambarana re izany! Tamin’ny fampiasana Baiboly iray efa tonta be, izay nikambanan’ireo voafonja rehetra, sady tsy ampy pejy betsaka, dia nasehon’ilay rahalahy azy ireo ny fahamarinana ara-baiboly. Nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly izany. Nianatra na dia ilay mpitondra tao amin’ilay fiangonana aza. Faly ny Rahalahy Nyirenda afaka nanampy olona efatra hahazo ny hevitra fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, talohan’ny nanafahana azy avy tao am-ponja.

Asa tao amin’ny kôngregasiôna niteny anglisy

Rehefa noroahina ireo misionera vahiny rehetra, vokatr’ilay fandrarana, dia mbola nipetraka tao Blantyre ihany i Bill McLuckie izay nanambady an’i Denise, Afrikanina tatsimo. Nanana tranom-barotra kely tao izy mba hisahanany ny andraikiny ara-pianakaviana. Nanjary toeram-pivoriana vaovao ho an’ny Kôngregasiôna niteny anglisy tao Blantyre ny tranon-dry McLuckie. Mazava ho azy fa voatery natao tamin’ny fomba tsotra kokoa ireo fivoriana ireo mba tsy hanintona ny sain’ny manodidina. Koa sady tsy nisy hira no tsy nisy tehaka àry.

Tamin’izany fotoana izany no nanombohan’i Guido Otto, izay nanompo tany amin’ny sampan’i Rhodésie, nitondra zavatra vita an-tsoratra tamim-piafenana hiditra teto Malawi. Nitana hotely kely iray teo amoron’ny Farihy Malawi ny rain’i Guido, hany ka toa tsy hafahafa velively tamin’ireo manam-pahefana ny fitsidihan’i Guido. Tsy fantatr’izy ireo mihitsy ny habetsahan’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nentin’i Guido isaky ny tonga! Notahirizina tao anaty lakaly iray niafina, tao an-tranon-dry McLuckie ireo zavatra vita an-tsoratra. Tamin’ny fotoana nandavahana azy io, dia nanontany indraindray ny mpandalo hoe hatao inona ilay izy. “Hatao kabine fotsiny ity”, hoy ny navaly azy ireny.

Indray alina, nandritra ny fivoriana indrindra, dia nisy fiara tonga teo anoloan’ilay trano. Iza àry izany? Ny polisy ve? Tsy fantatr’ireo rahalahy izay tokony hatao tamin’ny boky fianarany. Nisokatra ny varavarana ary niditra i Guido Otto, falifaly. Fanamaivanana re izany!

Hoy ny fanazavan’i Denise taorian’io: “Nilazan’i Bill ireo rahalahy fa raha toa nisy olona nanandrana niditra ny trano, ny zavatra voalohany tsy maintsy nataon’izy ireo dia ny nampiditra ny boky rehetra tao anatin’ny harona iray efa vonona teo. Avy eo dia halatsako ao anatin’ny lavaka iray teo amin’ny gorodon’ny efitra fatorianay ilay harona. Nankamin’ilay lakaly io lavaka io. Nasiana latabatra kely fandrosoana dite foana koa teo, ka raha toa nisy olona niditra, dia toy ny hoe nifampitsidika fotsiny izahay ary nisotro dite!”

Rehefa nihasarotra anefa ny toe-piainana, dia tsy azo natao tao amin’ny toerana iray monja intsony ny fivoriana. Trano maro samy hafa no nampiasaina. Nivory tany anaty ala indraindray ilay antokon’olona, ka nitafy toy ny hoe nitsangantsangana ry zareo.

Na teo aza ireny fahasahiranana ireny, dia mbola nahatratra an’ireo olona tena nitady ny fahamarinana ihany ireo rahalahy, tamin’ny alalan’ny fanambarana tsy ara-potoana tamin’ireo olona niteny anglisy. Nisy vitsivitsy tonga tao amin’ny fahamarinana. Anisan’ireny i Victor Lulker sy i Daniel Marne ary i Mike Sharma izay samy mbola manompo ao amin’ny Kôngregasiôna Blantyre hatramin’izao.

Raharaha ara-pitsarana tao Blantyre

Rehefa nanao bemidina tao an-tranon-dry McLuckie ny polisy tamin’ny 1971, dia nahita sasantsasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Voampanga ny Rahalahy McLuckie ka nasaina niseho teo anatrehan’ny mpitsara tao Limbe, Blantyre. Ren’ireo Vavolombelona teto an-toerana ilay izy, ka tonga maro be izy ireo mba hanotrona an-dry McLuckie, na dia nety ho namoizany ny fahafahany aza izany. Rehefa nanambara hoe “tsy meloka” ny didy navoakan’ilay mpitsara, dia nirefodrefotra ny tehak’ireo rahalahy! Nampiakarin’ilay mpiampanga tany amin’ny fitsarana ambony kokoa anefa ilay raharaha. Tonga tany amin’ny fitsarana avo izao ilay izy. Nambara fa meloka i Bill McLuckie tamin’ity indray mandeha ity, ary nosazina fito taona an-tranomaizina. Koa satria tsy tena naniry ny hampiditra am-ponja azy anefa ry zareo, dia nasainy niala teto Malawi fotsiny izy.

Nifarana tamin’ny Oktobra 1972, araka izany, ireo 37 taona nanompoan’i Bill McLuckie tamin’ny tsy fivadihana teto Malawi. Talohan’ny nandehanany, dia nanao fandaharana izy mba hahatongavan’ireo rahalahy haka moramora an’ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra tao amin’ilay lakaliny niafina. Fiara feno boky no nentin’ireo rahalahy nandeha! Voasakana teny amin’ny barazy teo amin’ny lalana ny sasany tatỳ aoriana, kanefa tsy nahamarika na dia baoritra iray akory aza ny polisy. Talohan’ny nialan-dry McLuckie teto Malawi, dia notampenana rihibato ny fidirana tao amin’ilay lakaly niafina. Hotsarovana mandritra ny fotoana ela eo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Malawi, ny fanompoana tamim-pahatokiana sady feno fahafoizan-tena nataon’i Bill McLuckie!

Nihetsika ny onjan-kerisetra fahatelo

Raha vao nanomboka niorina tao amin’ny fahazarana vaovao iray ireo rahalahy, dia nipoitra indray ny fahasahiranana. Tamin’ny 1972, nandritra ny fivoriambe fanaon’ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi isan-taona, dia nisy fehin-kevitra tena nampikorontan-tsaina nolanina. Ny iray tamin’izany dia nitaky ny handroahana tao amin’ny toeram-piasany, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Notanterahina tsy nisy indrafo sady tsy nisy fanavahana izany. Tsy nomen-dalana hihazona an’ireo mpiasa Vavolombelona nahatoky, ireo orinasa izay naniry hanao izany. Nobodoina ny tranom-barotr’ireo Vavolombelona ary nalaina an-keriny ny fananan’izy ireo. Mbola ho ratsy kokoa anefa ny nanaraka.

Ny fehin-kevitra iray hafa nolanina tao amin’ilay fivoriambe dia nilaza fa “ny [Vavolombelon’i Jehovah] rehetra izay mipetraka any amin’ireo tanàna kely dia tokony horoahina hiala tao”. Tena nitaky ny handroahana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah tsy ho anisan’ny fiaraha-monina izany! An’arivony maro ny tranon’izy ireo nodorana na narodana. Nopotehina ny vokatr’izy ireo ary naripaka ny biby fiompiny. Norarana tsy haka rano tao amin’ny fantsakana tao an-tanàna izy ireo. Nafoiny ara-bakiteny ny zavatra rehetra nananany, noho ireo olona navela hanaram-po tamin’ny fandrobana nanerana an’i Malawi.

Nitari-dalana tamin’io onjam-panenjehana io indray ireo mpikambana tao amin’ny fihetsiketsehan’ny tanora, ary izany no fanenjehana mafy sy feno habibiana indrindra hatramin’izay. Nifandamina ho andiany nisy olona sahabo ho 12 ka hatramin’ny 100 ry zareo, ary nitety ireo tanàna kely mba hitady ny Vavolombelon’i Jehovah.

Natao haza lambo ireo rahalahinay nanerana an’i Malawi. Nisy rahalahy sasantsasany tao Blantyre nangonina ka nentina tao amin’ny foiben’ny antoko teto an-toerana. Io ilay biraon’ny sampan’ny Fikambanana talohan’ny nakana azy an-keriny tamin’ny 1967. Anisan’ireny i Greyson Kapininga izay mpandika teny tao amin’ny sampana, talohan’ilay fandrarana. Rehefa avy nanda tamim-pahatapahan-kevitra ny tsy hividy karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko ireo rahalahy, dia nohosoran’ireo mpanenjika sira niharo sakay ny masony. Avy eo, dia nokapohiny tamin’ny hazo fisaka nisy fantsika lehibe ireo rahalahy. Isaky ny nikiakiaka noho ny fanaintainana ny rahalahy iray, dia vao mainka nokapohin’ireo mpampijaly tsy nifaditrovana ireo mafimafy kokoa, sady nataony hoe: “Aoka ho avy hamonjy an’ialahy ny Andriamanitr’ialahy.”

Namoizana ain’olona maro ireny famelezana tamin-kabibiana ireny. Tany Cape Maclear, any amin’ny farany atsimon’ny Farihy Malawi, dia nofatorana tao anaty antontam-bozaka i Zelphat Mbaiko. Norarahana solitany ilay bozaka ary notselarana afo. Matin’ny afo ara-bakiteny izy!

Niaritra fahoriana nahatsiravina koa ireo anabavy. Taorian’ny nandavany tsy hividy karatry ny antoko, dia maro no nosavihin’ireo tompon’andraikitry ny antoko imbetsaka. Nanandrana nandositra ny fahasahiranana ny Anabavy Magola sy ny hafa maro teto Lilongwe. Bevohoka anefa ilay anabavy ka tsy afaka nihazakazaka mafy. Nisy vahoaka romotra toy ny andian’alikadia nahatratra azy ka nikapoka azy mandra-pahatapitry ny ainy.

Tao amin’ny fonenan’ny mpianatra tao amin’ny Sekoly Ambony Momba ny Fambolena any Bunda, tany ivelan’i Lilongwe, dia nisy rahalahy enina sy anabavy iray novonoina ary notetitetehina tamin’ny fomba nampihoron-koditra ny fatiny. I Theodore Pinney, talen’ilay sekoly ambony mihitsy no lasa naneho ny fanoherany an’izany habibiana izany tany amin’ny Dr. Banda. Ny vokany? Noroahina niala teto Malawi izy!

An’arivony maro no nandositra

Rehefa hitany nandrahona teny am-paravodilanitra ny fandripahana azy rehetra, dia nanomboka nanao rodobe nifindra toerana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Oktobra 1972. An’arivony maro no nandositra niankandrefana nankany Zambia. Teo amin’ny sisin-tany, dia nohamarinin’ny mpandinika iray avy amin’ny Firenena Mikambana fa “maro tamin’ireo mpitsoa-ponenana no nahitana ratra sy trobaka lalina, izay toa avy tamin’ny pangas, dia irony antsy be fahita atỳ [Afrika] irony”.

Napetraka tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tao Sinda Misale, izay any amin’ilay faritra miendrika telo lafy ihaonan’ny sisin-tanin’i Malawi sy i Mozambika ary i Zambia, ireo Vavolombelona. Niely haingana anefa ny aretina noho ny tsy fisian’ny fitandremam-pahadiovana. Tao anatin’ny fotoana fohy dia olona maherin’ny 350 no maty, ka ankizy ny maro tamin’izany. Vetivety foana dia tonga tany amin’ireo rahalahiny kristianina tany an-toeran-kafa ny vaovao momba ny fahorian’ireo mpitsoa-ponenana. Tena tondraka ny vatsy fanampiana vonjy rano vaky tonga! Nanome lay sy fitafiana ary vatsy hafa nilaina maika tsy toko tsy forohana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Afrika Atsimo. I Karel de Jager sy i Dennis McDonald no nitari-dalana ny andiana kamiao maromaro izay niainga avy tany Afrika Atsimo ka tonga tao amin’ireo toby. Tsy natao ambanin-javatra izay nilaina teo amin’ny ara-panahy. Nitondra baoritra 21 nisy Baiboly sy fitaovana fianarana Baiboly ny kamiao iray. Hafaliana moa ny an’ireo rahalahy teto Malawi nahita io porofon’ny tena fitiavana kristianina izay nolazalazain’i Jesosy io! — Jaona 13:34, 35.

Tsy ela anefa dia takatr’ireo Vavolombelona fa vahiny tsy nirina izy tao Zambia. Noteren’ireo manam-pahefana zambianina hiverina teto Malawi ireo mpitsoa-ponenana, tamin’ny Desambra. Endre ny fahadisoam-panantenana! Koa satria toa tapi-dalan-kaleha ireo rahalahinay, moa ve hiraviravy tanana izy ireo amin’ny farany? Toy izao no namintinan’i Michael Yadanga azy: “Nafoiko ny nifiko noho ny tsy nividianako karatra. Nafoiko ny asako noho ny tsy nividianako karatra. Nokapohina mafy aho, noravana ny fananako ary noterena handositra tany Zambia aho — izany rehetra izany dia noho ny tsy nividianako karatra. Tsy izao indray aho vao handeha hividy karatra.” Mbola tsy nanohinana ny tsy fivadihan’izy ireo. Marina ny voalazan’ny mpanao salamo hoe: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” — Sal. 34:19.

Noporofoin’ireo Vavolombelona teto Malawi ireo, na lahy izy na vavy, fa nanam-pinoana sahala amin’ny an’ireo mpanompon’Andriamanitra voalazalaza ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo toko faha-11 izy ireo. Sahala amin’ireny mpivavaka tamin’i Jehovah fahiny ireny, ny Vavolombelona teto Malawi dia “nampijalijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany”, izany hoe tamin’ny fanekena lembenana na tamin’ny fandavana ny finoany an’i Jehovah Andriamanitra. Sahala amin’izy ireny, dia “niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa”, izy ireo. Sahala amin’izy ireny, ‘izao tontolo izao dia tsy mendrika ho nitoerany akory’. — Heb. 11:35, 36, 38.

Fialokalofana tany Mozambika

Rehefa niverina avy tany Zambia ireo Vavolombelona, dia niatrika fanenjehana tsy nifaditrovana indray teto Malawi. Tsy nisy hevitra ny hijanonana teto. Koa nandositra indray izy ireo, ka tany Mozambika tamin’ity indray mandeha ity. Mbola teo ambany fifehezan’ny Portogey i Mozambika tamin’izany fotoana izany. Nentin’ny manam-pahefana tany tamin-katsaram-panahy ireo rahalahinay. Ireo izay nipetraka tany atsimon’i Malawi dia nandositra niampita ny sisin-tany akaikin’i Mulanje mba hamonjy ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tao Carico. Maro no nijanona tao hatramin’ny 1986.

Mora be koa ny nahatongavana tany Mozambika avy teo amin’ny sisin-tany andrefan’i Malawi, eo anelanelan’ny tanànan’i Dedza sy i Ntcheu. Mba hahitana fialokalofana tao, dia tsy nila afa-tsy ny niampita ilay arabe lehibe, izay natao sisin-tany, ireo rahalahy. Tao akaikin’i Mlangeni no nisy ireo toby tao amin’io faritr’i Mozambika io, ka tao no nandosiran’ny ankamaroany.

Nanjary toeram-ponenan’ny olona sahabo ho 34 000 — lehilahy sy vehivavy ary ankizy madinika — ireo toby tao Carico sy tao akaikin’i Mlangeni. Kôngregasiôna manontolon’ny vahoakan’Andriamanitra notarihin’ireo loholony no niara-nandeha nankany amin’izany toby izany. Teny an-dalana, dia nanome baiko ny manam-pahefana teto Malawi fa tsy tokony hisy olona hanampy azy ireo tamin’ny fitaterana.

Fomba fiaina vaovao no nanomboka ho an’ireny mpanompon’i Jehovah niorim-ponenana tao amin’ny toby ireny. Sarotra ny lafiny ara-nofo tamin’ny voalohany. Nanomboka hatrany am-boalohany mihitsy indray ry zareo. Tsy ela anefa, dia nisy trano nitandahatra voatsangana. Natao izay hampadio sy hampilamina ireo toby. Mba hanampiana ny anjara sakafo nozarain’ny Fikambananay sy ireo fikambanana hafa mpanao asa soa, dia nanomboka namboly ny rahalahy maro. Ny hafa nivarotra ny asa tanany, na koa nahita asa tapa-potoana teny amin’ny tanàna kely manodidina. Afa-po ireo rahalahinay rehefa nanana izay tena nilainy teo amin’ny fiainana, na dia tsy mpanan-karena aza. (1 Tim. 6:8). Nanankarena teo amin’ny ara-panahy kosa anefa izy ireo!

Fandaminana tao amin’ireo toby

Ny loholona toa an’i Kennedy Alick Dick sy i Maurice Mabvumbe sy i Willard Matengo ary ny hafa koa tatỳ aoriana, no nahaforona ny Komity Niandraikitra ny Asa. Noho izy ireny tsy nikely soroka teo amin’ny fanomezana ny zavatra ara-panahy nilain’ireo rahalahy, dia nohajaina sy notiavina fatratra izy ireny. Nandatsaka am-po izao fananaran’ny Baiboly izao ireny loholona tsy nivadika ireny: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo”. (1 Pet. 5:2). Nandamina asa ara-panahy maro tao amin’ny toby izy ireo. Mba hanarahana ny fahazaran’ny ankamaroan’ny tokantranon’ny vahoakan’i Jehovah, dia nataon’izy ireo izay hanombohan’ny andro tsirairay tamin’ny zavatra ara-panahy, izany hoe tamin’ny alalan’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro. Samy natao tsy tapaka daholo na ny fianarana ny Baiboly tamin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, na ny lahateny ampahibemaso, na ireo fivoriambe mihitsy aza. Takatr’ireo mpitsoa-ponenana fa niankinan’ny aina ny fandaharana ara-panahy toy izany.

Teo amin’ny toerana iray teo afovoany, dia ny lampihazo afovoany, no nanaovana ny fivoriana rehetra tamin’ny voalohany. Olona an’arivony maro no nivory teo isan’andro mba handray fampianarana ara-baiboly sy toromarika nifandray tamin’ny adidy isan-karazany tao amin’ireo toby. Nampirisihina ireo kôngregasiôna, tatỳ aoriana, mba hanorina ny Efitrano Fanjakanany ka hanao ny fivoriany tany. Nisy fizaran-tany dimy nalamina tao amin’ireo toby samihafa, rehefa nandeha ny fotoana.

Nandray soa betsaka avy tamin’ny fampiofanana noraisiny tamin’ireo misionera talohan’ilay fandrarana, ireo rahalahy tao amin’ny Komity Niandraikitra ny Asa sy ny hafa koa. Nanampy azy ireo handamina ireo toby izany. Tamin’ny ankapobeny, dia nitovy be tamin’ny fampandehanana ny fivoriamben’ny distrika lehibe iray ny fampandehanana ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nisy sampan-draharaha natsangana mba hikarakara ny zavatra isan-karazany nilaina, anisan’izany ny fanadiovana sy ny fizarana sakafo ary ny fitandroana ny filaminana, mazava ho azy.

Mbola nisy mpanenjika tsy afa-po ihany, na dia izao efa nipetraka an-tsesitany tany ivelan’i Malawi izao aza ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niampita ny sisin-tany ireo fahavalo indraindray ka nanafika an’ireo rahalahy nipetraka tao amin’ireo toby teo akaiky, hany ka voatery nasiana fitandremana manokana mialoha mba hiarovana ny vahoakan’i Jehovah.

Nanendry rahalahy sasantsasany ny Komity Niandraikitra ny Asa mba ho mpanampy sy ho mpiambina teo amin’ny fidirana rehetra tao amin’ireo toby. I Batson Longwe no nasaina niandraikitra an’ireo mpanampy tao amin’ny toby Mlangeni ireo. Nahatonga azy hivezivezy be tao anatin’ny toby ilay asa nanendrena azy, dia ny fijerena raha teo amin’ny toerany avy ireo rahalahy. Vetivety foana dia nahazo anaram-bosotra hoe “7-2-7” izy. Eny tokoa, nanomboka ny maraina ka hatramin’ny alina (tamin’ny fito ka hatramin’ny fito [amin’ny teny anglisy]), isan’andro, no nahitana ny Rahalahy Longwe nahatoky, teny amin’ny faritra rehetra tamin’ilay toby, nanao ny anjara asany mba hiarovana ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina. Hatramin’izao, dia mbola “7-2-7” foana no iantsoan’ny ankamaroan’ireo rahalahiny an’i Batson Longwe. Na dia mety ho efa hadinon’ny sasany aza ny tena anarany, dia tsaroan’izay rehetra tany amin’ny toby tao Mlangeni amim-pitiavana ny fanompoana tamim-pahatokiana nataon’io rahalahy io ho azy ireo.

Tsy vitan’ny hoe nitondra fanamaivanana tamin’ny fanenjehana nahazo an’ireo rahalahy fotsiny ilay sesitany tsy naharitra tany Mozambika, fa nanampy azy ireo koa hiomana mba hiatrika ireo fisedrana sy zava-tsarotra mbola niandry azy ireo. Nifanatona akaiky kokoa tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny izy ireo, ary nianatra niantehitra bebe kokoa tamin’i Jehovah. Hoy i Lemon Kabwazi, izay mpiandraikitra mpitety faritany tatỳ aoriana: “Nisy lafiny tsara sy lafiny ratsy tamin’ilay izy. Nahantra izahay teo amin’ny ara-nofo, fa voakarakara tsara kosa teo amin’ny ara-panahy. Koa satria nifanakaiky kely ny fonenanay, dia tena nanjary nahalala tsara sy tia an’ireo rahalahinay izahay. Nanampy anay izany rehefa tafaverina teto Malawi izahay.”

Natao haza lambo indray!

Nampalahelo fa fohy ihany io fotoana nitsaharan’ny herisetra teo an-tanan’ny mpanenjika io. Nangeja an’i Mozambika koa ny toe-tsaina tia fanindrahindram-pirenena, rehefa nahazo ny fahaleovan-tenany izy tamin’ny Jona 1975. Tsy takatr’ireo mpitondra vaovao tao amin’io tany io ny fialanalanan’ny vahoakan’i Jehovah. Koa satria tsy nety nanaiky lembenana ireo rahalahinay, dia noterena izy ireo hiverina hiampita ny sisin-tany avy tao amin’ny faritr’i Mlangeni ho etỳ an-tanan’ny mpanenjika azy.

Ny minisitra nikarakara ny faritra afovoany, Atoa J. T. Kumbweza Banda no nitsena ireo mpitsoa-ponenana niverina, teo amin’ny sisin-tany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Sitraponareo ny nandaozanareo an’i Malawi, ary sitraponareo izao ny iverenanareo. Miverena any an-tanànanareo ka miaraha miasa amin’ireo mpitantana ny antoko.” Rehefa niresaka momba ireo Tanora Mpisava Lalan’i Malawi sy ireo anisan’ny Fikambanan’ny Tanora izy, dia hoy ny teny nanampiny: “Eo ireo zatovoko mba hanao izay hahazoana antoka fa tena miara-miasa amin’ny Antoko ianareo.” Kely ny fanantenana fihatsaran-javatra, araka izany.

Ny sasany izay noterena hiverina teto tamin’io fotoana io, dia afaka namakivaky an’i Malawi ka nivoaka indray teo amin’ny sisin-tany atsimoatsinanana mba hiaraka tamin’ireo rahalahiny tao amin’ireo toby teo akaikin’i Milange, tany Mozambika. Tsy namaha ny olana rehetra anefa izany. Ohatra, i Fidesi Ndalama izay mpiandraikitra ny fizaran-tany tao amin’io faritra io mandra-pahatongan’ny fotoana naharava ireo tobin’i Milange tany amin’ny faramparan’ireo taona 1980, dia namoy ny vadiny rehefa notafihin’ireo miaramila mpiady anaty akata io toby io. Mbola manohy manompo an’i Jehovah amin-jotom-po hatrany anefa io rahalahy malemy fanahy io.

Tsy maintsy nijanona teto ny hafa izay noterena hiverina teto Malawi, tamin’ny 1975. An’arivony maro tamin’izy ireo no nameno ny arabe, fony izy ireo niverina tany an-tanànany tao anatin’ny havizanana be. Toy ny hoe handroso maty raibe, hihemotra maty renibe izany ho an’ny maro.

Navela hiorim-ponenana indray tao an-tanànany ny ankamaroany teo am-boalohany. Tsy ela anefa, dia tonga ireo ‘zatovo’ mba hanandrana hanery ny Vavolombelon’i Jehovah ‘hiara-miasa amin’ny Antoko’. Andian-jiolahy anisan’ny Fikambanan’ny Tanora no nanodidina ny tranon’ireo rahalahinay ka nitaky ny hividianany karatry ny mpikambana tao amin’ny antoko. “Tsia!” no valiny tsy niova tao amin’ny trano rehetra. Nitarika ho amin’ny fitondrana nampiseho habibiana isan-karazany ilay fandavana. Nandray anjara tamin’ny fikapohana an’ireny Kristianina tsy nanan-tsiny ireny na dia ny zaza amam-behivavy aza. Nisy tatitra voaray momba ny fametavetana feno fahambanian-toetra natao tamin’ny lehilahy sy vehivavy. Nisy fitantarana naharikoriko momba ny lehilahy sy ny vehivavy kristianina izay niara-nofatorana mba hanerena azy hanao fahalotoam-pitondran-tena.

Na dia teo amin’ny fiainana andavanandro aza, dia niatrika zava-tsarotra tsy an-kijanona noho ny tsy fivadihany, ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitady tsy an-kijanona an’izay rehetra tsy nanana karatry ny antoko ireo anisan’ny Fikambanan’ny Tanora, tany amin’ny hopitaly sy tany an-tsekoly ary teny ambony fitateram-bahoaka. Araka ny teny ao amin’ny Apokalypsy 13:16, 17, dia tsy nisy olona afaka ‘nividy na nivarotra’, na nanana fiainana ara-dalàna fotsiny aza, raha tsy nanana ‘ny mariky ny bibidia’, izay porofon’ny naha mpanohana ny fandehan-javatra ara-politikan’ity tontolo ity azy.

Teo am-pamakivakiana izany fahoriana rehetra izany, dia tsy nilefitra na nanaiky lembenana mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nilavo lefona koa anefa ireo mpanenjika. Tsy tapitra teo ny nafitsok’izy ireo.

Nafatratra tao anaty fonja

Kôngregasiôna manontolon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nalaina ka nafatratra tao amin’ireo foibe fihazonana, izay nanaraka fomba fiasa nampahatsiahy an’ireo toby fitanana nazia. Nampalahelo fa tamin’ny tarehin-javatra sasany dia nisy ankizy madinika sy zazakely nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny rotidrotiky ny alahelo. Navela hokarakarain’ny havana tsy Vavolombelona ny sasany tamin’ireny ankizy madinika ireny. Ny hafa kosa navela tsy hisy mpamelona. Tamin’ny Janoary 1976, dia lehilahy sy vehivavy maherin’ny 5 000 no tany am-ponja sy tany amin’ireo toby nanerana an’i Malawi.

Nahatsiravina ny toe-piainana teo am-boalohany. Nifanizina loatra ny olona ka niteraka areti-mahafaty izany. Nanampy trotraka ny fahoriana ireo mpiambina tsy nifaditrovana. Nihantsy an’ireo rahalahy ny iray tamin’izy ireo, ka nanao hoe: “Araka ny efa nandaharan’ny fanjakana azy, dia tsy maintsy ataonay trakteranay ianareo.” Tadidin’i Baston Moses Nyirenda fa matetika izy no noterena hiasa nanomboka talohan’ny fiposahan’ny masoandro ka tsy nifarana raha tsy taorian’ny filentehan’ny masoandro, ary tsy nisy fiatoana mba hialan-tsasatra na hisakafoana!

Nisy teny fohy nosoratan’ny rahalahy iray teo amin’ny taratasy fitondra any an-kabine ary nalefany an-tsokosoko avy tany amin’ilay toby fitanana ratsy lazan’i Dzaleka. Izao no voasoratra tao: “Na dia marary mafy aza izahay, dia terena handeha hiasa. Alefa any amin’ny hopitalin’i Dowa ny ankizy marary. (...) Tsy karakarain’izy ireo ny marary izay vahoakan’i Jehovah. Labatoaran’ny vahoakan’i Jehovah no iantsoanay ny hopitalin’i Dowa.”

Toy ny hoe nataon’ireo mpiambina fonja izay rehetra azony natao mba hanakiviana ireo rahalahinay sy anabavinay ka hialany tamin’ny tsy fivadihany. Tsy nahomby ireny mpiambina ireny! Efa nianatra ny hizaka fahoriana ny vahoakan’i Jehovah. Nirakitra izao teny nanatanjaka finoana izao ny taratasy iray nosoratana teo amin’ny sombina lasàkan-tsimenitra: “Vaovao mahafaly. Miramirana endrika daholo ireo rahalahy sy anabavy, na dia enjehina sy asaina mibata vato aza.”

Nisy taratasy fanoherana maro avy tany an-tany hafa — avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa maro — nalefa tany amin’ny biraon’ny prezidà, ny Dr. Banda. Tsy noraharahaina anefa ireny fitalahoana ireny ka dia tafajanona tao am-ponja ireo rahalahinay.

‘Tsy mba voafatotra ny Tenin’Andriamanitra’

Na dia teo aza izany toe-javatra izany, dia mbola vitan’ireo rahalahy ihany ny nandamina fivoriana kristianina tany amin’ireny fonja ireny. Nampidirina an-tsokosoko ny zavatra vita an-tsoratra ary nozaraina tamin’ireo rahalahy. Ahoana no nanaovana izany? Toy izao no nolazain’i Baston Moses Nyirenda momba ny Diary iray izay tonga tany amin’izy ireo tany amin’ny fonjan’i Dzaleka:

“Nisy rahalahy iray tsy voafonja fa niasa tao an-jaridainan’ny fonja. Koa satria zatra nahita azy nivoaka sy niditra teo foana ireo mpiambina, dia tsy nisava azy mihitsy. Nafeniny tao anaty lobaka ilay boky tamin’ny fotoana nanaterany legioma tany amin’ireo mpiambina. Avy eo, talohan’ny nandehanany, dia vitany ny nitondra ilay boky tany amin’ny rahalahy iray. Akory moa ny hafalianay nahazo ilay Diary, satria tao no nisy ny teny sy ny fanazavana rehetra natao hodinihina isan’andro, tamin’izany fotoana izany. Tsy maintsy nataonay haingana ny fandikana ny andinin-teny sy ny fanazavana rehetra teo amin’ny taratasy fitondra any an-kabine. Maromaro ihany ny taratasy nampiasaina tamin’izany! Tratran’ny mpiambina iray ilay boky, tapa-bolana tatỳ aoriana. Efa voazaranay nanerana ny toby anefa ireo zavatra natao kopia tamin’izay. Vitanay mihitsy aza ny nanome kopia an’ireo anabavinay tany amin’ny faritra nihazonana azy ireo.”

Antoko maromaro voaforona olona vitsivitsy no nalamina hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tao Dzaleka. Tonga tany amin’ny Fikambanana ny taratasy nilaza fa “1 601 no nanatrika ny fivoriana tamin’iny andro nahafinaritra antsika iny, dia ny 14 Aprily”. Telo ambin’ny folo no nandray anjara tamin’ny marika tao Dzaleka. Hoy koa ilay tatitra: “Saika nihira avokoa ny efitra figadrana rehetra talohan’ny lahateny, ary nanao toy izany koa izy ireo taorian’ilay fivoriana.”

Somary nanomboka nihamora ny toe-piainana tany amin’ireo fonja, rehefa nandeha ny fotoana. Nanjary tena tsara fanahy tamin’ireo rahalahy ny mpiambina sasany tamin’ny farany. Nandray ny fahamarinana mihitsy aza ny iray taminy, rehefa nisotro ronono tamin’ny asany tao amin’ny fonja. Ny Rahalahy Makumba izy ankehitriny. Nanolo-tena ho an’i Jehovah koa ny zanany lahy. Sahala amin’izao nambaran’ny apostoly Paoly izao mihitsy ilay izy: ‘Tsy mba voafatotra ny Tenin’Andriamanitra.’ — 2 Tim. 2:9.

Fanompoana an’i Jehovah tao anatin’ilay fandrarana

Nihena tsikelikely indray ny hamafin’ny fanenjehana. Nafahana avy tao am-ponja ny ankamaroan’ireo Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1979. Nitombo ny fahalianan’ireo mpiara-monina ta hahafanta-javatra. “Nahoana no nalefa tany am-ponja ianareo?” “Nahoana no manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona rehetra?” Nanokatra lalana ho amin’ny dinidinika ara-baiboly ny fanontaniana toy izany, ka maro no lasa mpanompon’i Jehovah. Takatr’izy ireo tsara fa hankahalaina koa ny tenany, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, raha toa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah; neken’izy ireo anefa fa tena nanaraka ny fivavahana marina ny Vavolombelon’i Jehovah. (Lioka 21:17; Jak. 1:27). Mahaliana fa maro kokoa ny vaovao natao batisa avy tamin’ireo olona hita teny am-pitoriana noho ny avy tamin’ny zanak’ireo olona efa Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no nidiran’ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teto Malawi tamin’izany fotoana izany, mba hampiasaina tamin’ny fivoriana sy ny fanompoana teny amin’ny saha? Nafindra tany amin’ny sampan’i Zambia ny fikarakarana ny saha teto Malawi nandritra ny faramparan’ireo taona 1970, satria niombona sisin-tany tamin’i Malawi i Zambia, fa tsy mba toy izany kosa i Zimbabwe. Maromaro ny fitahirizana zavatra vita an-tsoratra tany Zambia no tsara toerana teo akaikin’ny sisin-tanin’i Malawi. Nandeha nankany Zambia ireo rahalahy vitsy dia vitsy izay nanana fiara, mba haka fonosan-javatra vita an-tsoratra maro be, ary nampiditra izany an-tsokosoko teto Malawi avy eo. Koa satria vitsy ny isan’ireo barazy teny amin’ny lalana nandritra ireo taona voalohandohan’ilay fandrarana, dia tena nahomby io fomba io.

Nanana ireo boky sy gazety nilaina teo am-pelatanany ireo rahalahy, hany ka azo natao ny nandamina ireo fivoriana. Mazava ho azy fa tsy nisy fivoriana an-karihary azo natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nivory tamim-piafenana kosa ireo rahalahy, matetika tamin’ny alina, ary tsy natao ren’ny mpifanila trano sy ny mpiray tanàna hafa. Tany ivelany mazàna no nisy ny tany lovan’ny rahalahy sasany tao amin’ireny tanàna kely ireny. Toerana nety tsara mba hivoriana izy ireny. Mazava ho azy fa hanintona ny sain’ny manodidina ny fahitana olona maro be hiara-mandeha hankany am-pivoriana, hany ka nizarazara ho antokon’olom-bitsy ireo rahalahy. Azo natomboka ny fivoriana, raha vao tonga ny rehetra. Tsy nisy fihirana tamin-kafanam-po ny hiran’ilay Fanjakana, fa tamin’ny feo iva ihany. Tsy nisy tehaka mafana koa taorian’ny lahateny tsara dia tsara iray, fa fampikasohana moramora ny felatanana fotsiny.

Na izany aza, dia nankasitraka ny sakafo ara-panahy tonga tamin’ny fotoana nilana azy izay rehetra tany am-pivoriana, ary nahatsapa ho tafaray tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny naneran-tany izay nahazo io fandaharam-pampianarana io koa. Nahatonga an’ireo rahalahy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ilay asa tena lehibe, dia ny fitoriana, ireny fivoriana ireny. Tsy maintsy nataon’izy ireo tamim-pahamalinana be izany.

Be herim-po ireo iraka mpitondra zavatra

Na dia tsy sarotra loatra aza ny fampidirana zavatra vita an-tsoratra teto Malawi nandritra ny fotoana sasantsasany, dia niova kosa ny toe-javatra tany antenatenan’ireo taona 1980. Nanomboka hita nanerana an’i Malawi ireo barazy teny amin’ny lalana. Nihamailo ny polisy nisava ireo fiara. Tsy afaka nampiasa fiara intsony ireo rahalahy mba hitaterana zavatra vita an-tsoratra avy tany amin’ireo toerana fitahirizana entana tany Zambia. Inona no azo natao?

Bisikileta no nampiasaina betsaka kokoa. Nandeha bisikileta tany anaty akata ireo rahalahy ka afaka niala an’ireo barazy teny amin’ny lalana sy ny sisin-tany. Nitaky herim-po lehibe sy finoana natanjaka ny fanaovana ny asan’ny iraka mpitondra zavatra. Niharihary anefa fa notahin’i Jehovah Andriamanitra ny fanompoana tamim-pahatokiana nataon’izy ireny. Diniho ireto zava-nitranga ireto:

Nandeha bisikileta namakivaky an’i Lilongwe i Letson Mlongoti, nitondra lasàka feno gazety tao aoriana tamin’ny bisikiletany. Rehefa nomarihiny fa nisy vahoaka maro be, anisan’izany ny polisy sy ny Tanora Mpisava Lalan’i Malawi nilahatra teny an-dalam-be niandry ny fitsidihan’ny prezidà, dia nanjary natahotra be izy. Avy eo dia nivadi-po izy rehefa nianjera teo amin’ny fiolahana iray ilay lasàka ka nisokatra terỳ. Niparitaka tamin’ny tany teo anoloan’ny olona rehetra ireo gazety! Vetivety foana dia nitangorona nanodidina azy ny olona. Zavatra faran’izay ratsy no nampoizin’ilay rahalahinay. Tsy ela anefa dia takany fa hay hanampy azy fotsiny mba hampiditra indray ireo gazety tao anatin’ilay lasàkany izy ireo. Maivamaivana izy, na dia somary nangovitra aza, ary nanohy haingana ny diany indray sady nisaotra an’i Jehovah noho ny nanajambany ny mason’ny polisy sy ireo Tanora Mpisava Lalan’i Malawi.

Nitondra taratasy be dia be ho an’ny kôngregasiôna i Fred Lameck Gwirize. Raha ilay nirimorimo tamin’ny bisikileta nidina ny havoana iray tany akaikin’i Kasungu iny izy no nahatazana barazy teo amin’ny lalana izay nokarakarain’ny Fikambanan’ny Tanora. Nijanona izy dieny mbola tsy tonga teny, ary nitodi-doha niverina no sady nivoy mafy ny bisikiletany. Niantsoantso ireo anisan’ny Fikambanan’ny Tanora mba hijanonany. “Ho aiza ialahy iny?”, hoy izy ireo nilelalela. Hoy ny navalin’ilay iraka mpitondra zavatra: “Nirimorimo mafy loatra nidina ny havoana aho ka diso an’ilay fiolahana saika halehako!” Gaga izy fa neken’izy ireo ny fanazavany. Nisaotra an’i Jehovah izy noho ny niarovany azy.

Maromaro tamin’ireny rahalahy be herim-po ireny anefa no tratra ka naiditra am-ponja. Raim-pianakaviana ny ankamaroan’izy ireny.

“Mpizaha tany” iray tonga tsy tapaka

Nitsidika tsy tapaka an’i Malawi i Edward Finch, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zambia, nanomboka tamin’ny 1987. Toerana tian’ny mpizaha tany i Malawi, ary nanana havana tao Blantyre ny Rahalahy Finch, ka mora taminy ny niditra teto mba hanao “vakansy”. Fony i Ed Finch vao 19 taona monja ary nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Rhodésie tanindrazany, dia niaraka tamin’i Guido Otto izy tamin’ny dia sasany nataon’io rahalahy io teto Malawi, mba hamatsy tahiry an’ilay lakaly niafin-dry McLuckie. Nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada izao ny Rahalahy Finch ka notendrena hisahana anjara asa fanampiny nifandray tamin’i Malawi.

Vokatry ny fanahian’ny sampan’i Zambia sao tsy ampy ny zavatra vita an-tsoratra tonga teto Malawi ny fitsidihana nataony. Rehefa nihaona tamin’ny Komity Niandraikitra ny Asa teto Malawi ny Rahalahy Finch, dia nientam-po ry zareo nahita vahiny tonga teto mba hampahery azy ireo sy hanome fitarihan-dalana fanampiny. Nisy fivoriana niafina maro natao niaraka tamin’io Komity Niandraikitra ny Asa io sy ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika ary ireo iraka mpitondra zavatra. Samy nafana fo nanatontosa ny anjarany avy teo amin’ny fanomezana izay nilain’ny kôngregasiôna ny rehetra. Nizotra tsara tsy tapaka indray ny fidiran’ireo zavatra vita an-tsoratra teto Malawi izay nanjary niavosa be tao amin’ireo fitahirizana entana tany Zambia, teo akaikin’ny sisin-tanin’i Malawi.

Maro ny “fizahan-tany” nampahery nataon’ny Rahalahy Finch teto Malawi, matetika niaraka tamin’i Linda vadiny. Nandeha nitety an’i Malawi hatrany avaratra ka hatrany atsimo izy, tsy hoe mba hitsangantsangana, fa mba hampahery sy hampiofana rahalahy faran’izay betsaka. Ireo rahalahy izay nitari-dalana nandritra ilay fandrarana no tena nankasitraka ny fitsidihany. Velom-pankasitrahana izy ireo noho ny fitiavana sy ny faharetana nasehon’io rahalahy io, fony izy niara-niasa tamin’izy ireo.

Fanampiana an’ireo iraka mpitondra zavatra

Mazava ho azy fa tsy vitan’ireo iraka mihitsy ny nandeha bisikileta nankany amin’ny kôngregasiôna rehetra teto Malawi. Koa nisy kamiaonety iray novidina tamin’ny 1988 ary nampiasaina be teto an-toerana mba hanaterana zavatra vita an-tsoratra. Nanjary nahafantatra tsara an’ireo barazy teny amin’ny lalana ireo mpamily, ka nialany tamim-pahamalinana izy ireny. Nisy rahalahy be herim-po hafa koa nanolotra ny fanampiany. Anisan’izany i Victor Lulker izay nanompo tao amin’ny kôngregasiôna niteny anglisy tao Blantyre. Nampiasa ny fiarany manokana izy, ary nanao vivery ny ainy mba hitaterana zavatra vita an-tsoratra nankany amin’ireo toerana fitahirizana entana niafina nanerana an’i Malawi, nandritra ny alina. Talohan’ny 1972, dia nanome fanampiana nitovy tamin’izany i Cyril Long, izay any Afrika Atsimo ankehitriny. Nahazo tahirim-panafody tena nilain’ireo rahalahinay koa izy, tamin’ny vidiny ambany kokoa tao amin’ny farmasia iray nankasitraka anay.

Ny lafin-javatra iray lehibe teo amin’ny fanomezana sakafo ara-panahy dia ny naneken’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn ny fanaovana pirinty gazety tamin’ny taratasy fampiasa amin’ny Baiboly, sy boky nisy fonony malefaka ary lahatsoratra fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nanana habe manokana ka nanjary fantatra tamin’ny hoe gazety bitika. Rehefa nihaona mangingina tamin’ireo iraka mpitondra zavatra i Ed Finch tamin’ny Aprily 1989, ka nilaza tamin’izy ireo momba izany fomba fanontana vaovao sy manokana ny zavatra vita an-tsoratray izany, dia latsa-dranomaso izy ireo. Endre ny fankasitrahany an’ireo fandaharana feno fitiavan’i Jehovah! Avo roa heny noho ny teo aloha izao ny zavatra vita an-tsoratra ho azony entina.

Mora naforitra kokoa ary mora nafenina kokoa izany zavatra vita an-tsoratra izany. Azo novakina ampahibemaso teny ambony fitateram-bahoaka mihitsy aza ireo gazety bitika. Tsy nisy nahalala hoe inona izy ireny! Tena nanatontosa ny asa nanirahana azy marina, dia ny fanomezana ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety’, ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Nanampy an’ireo mpanompon’i Jehovah mba hihazona ny tsy fivadihany tao anatin’ny fahoriana, ireny ‘tahirin-tsakafo’ sarobidy ireny.

Kôngregasiôna iray tsy nanan-tsahala

Nampalahelo fa nifandona tamin’ny fiaran’ny polisy ilay kamiaonety nampiasain’ny Fikambanana, tamin’ny 1990. Rehefa hitan’ny polisy izay tao anatin’ilay kamiao, dia nosamborina avy hatrany ireo rahalahy roa ary nalefa tany am-ponja. I Lemon Kabwazi ny iray tamin’izy roa lahy.

Rehefa tonga tao amin’ny Fonjan’i Chichiri ny Rahalahy Kabwazi, dia nomarihiny fa tao anatin’ny toe-piainana nampahonena ireo rahalahy folo efa voatazona tao. Nangalarin’ireo voafonja “zokiny” ny bodofotsy rehetra sady tsy navelany hanao ny fivoriany ireo rahalahy. Fantatry ny Rahalahy Kabwazi fa tena nilaina ny hanaovan-javatra. Rehefa nitsidika azy i Chrissie vadiny, dia nasainy nitondra ny sasany tamin’ireo fitafiany manokana. Nozarainy tamin’ireo rahalahiny izany, mba ho araka ny tokony ho izy ny fitafian’izy ireo. Nampiaiky volana an’ireo voafonja hafa izany. Avy eo dia niezaka mba hanao ho namana an’ireo voafonja “zokiny” izay nihazona ny bodofotsy rehetra, ny Rahalahy Kabwazi. Ahoana no nanaovany izany? “Nasaiko nividy siramamy folo kilao ho ahy ny rahalahy iray”, hoy ny Rahalahy Kabwazi. “Nahavidy bodofotsy iray ny siramamy iray kilao.” Izany koa dia “nahavidy” ny fisakaizan’ireo voafonja “zokiny”, izay namela malalaka ny hanaovana ireo fivoriana izao.

Koa satria notarihina tsy tapaka teo an-tokotanin’ny fonja ireo fivoriana, dia nisy kôngregasiôna iray niforona vetivety foana. Ny anaran’izy io? Kôngregasiôna An-jorony, satria teo an-joron-tokotanin’ilay fonja no nanaovana ireo fivoriana. Nanjary nahitana mpanatrika maherin’ny 60 tsy tapaka ny Kôngregasiôna An-jorony, rehefa nandeha ny fotoana. Voakarakara tsara io kôngregasiôna vaovao io, satria nisy loholona telo sy mpanampy amin’ny fanompoana iray. Tena namokatra be koa ny faritaniny. Nisy olona “tratra an-trano” foana ka azo niresahana! Roa tamin’ireo olona dimy nampianarin’ny Rahalahy Kabwazi Baiboly tany, no efa vita batisa hatramin’izao!

Sakafo “nahasalama”

Ny olana iray natrehin’ny Kôngregasiôna An-jorony anefa dia ny fampidirana tao am-ponja tarihin-javatra vita an-tsoratra hampiasaina tamin’ireo fivoriana. Nanana tetika iray koa ny Rahalahy Kabwazi teto. Nasainy nitondra fonosan-tsakafo iray ny rahalahy iray vao avy nafahana tao am-ponja, rehefa niverina. Rehefa nisava ilay fonosan’entana ireo mpiambina ny fonja, dia tsy nahita afa-tsy mangahazo izay foto-tsakafo eto Malawi. Tsy fantatr’izy ireo anefa fa sady “nahavelona” no “nahasalama” erỳ io mangahazo io! Nanasilarana manify ny teo afovoan’ny mangahazo tsirairay. Nanatsofohana gazety bitika nahorongorona, sy tapany kely tamin’ny boky Fanjohian-kevitra sy Fandinihana ny Soratra Masina tao amin’ireny mangahazo ireny. Indroa fotsiny no nanaterana izany sakafo “nahasalama” izany, dia efa nahazo izay rehetra nilainy hampiasaina tamin’ny fivoriany sy ny fampianarany Baiboly, ireo rahalahy. Tsaroan’ny Rahalahy Kabwazi fa maro aoka izany ny gazety bitika azon’izy ireo, hany ka tsy voatery namerina nianatra lahatsoratra tao amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana mihitsy ry zareo, nandritra ireo valo volana nijanonany tany am-ponja.

Soa ihany fa tsy miasa intsony ny Kôngregasiôna An-jorony amin’izao fotoana izao. Tsy voatery manao ny fivoriany any am-ponja intsony ny vahoakan’i Jehovah eto Malawi!

Nanjary nohajaina ireo rahalahinay

Nihanahalana tsikelikely teny ny famelezana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa mbola nisy zava-nitranga re ihany indraindray. Toy ny nitranga hatramin’izay anefa, dia tsy nilefitra ireo rahalahinay. Maro no nanomboka naneho fanajana ny vahoakan’i Jehovah, ho vokatr’izany.

Tao amin’ny faritr’i Mchinji, dia nandefa taratasy “Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra malala, izay monina eto ambany fiadidiako”, ny Filoha Mzama. Hoy izy tao: “Tena olona tsara ny Vavolombelona rehetra ato amin’ny faritaniko. Tanàna kely 13 no mahaforona ny faritaniko.” Rehefa avy nidera ny Vavolombelona izy noho izy ireo mpandoa hetra azo nitokisana, nanaraka fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony, ary noho izy ireo madio, nahay nanaja olona ary nazoto niasa, dia izao no famaranan-teniny: “Mampirisika anareo Vavolombelon’i Jehovah rehetra aho mba hanohy hankato ireo lalànareo.”

Tany am-piandohan’ny taona 1990, dia anisan’ireo olona 22 nosamborin’ny Fikambanan’ny Tanora tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany tao Nathenje akaikin’i Blantyre, i Austin Chigodi. Nafahana ny Rahalahy Chigodi izay efa nananika ny faha-80 taonany tamin’izany fotoana izany, rehefa nandany herintaona sy tapany tany am-ponja. Tohina lalina ny fon’ny sasany tamin’ireo anisan’ny Fikambanan’ny Tanora nahita ity lahiantitra ity, izay mbola velona sady nahatoky teo anatrehan’ny Andriamaniny ihany. Nangataka fampianarana Baiboly mihitsy aza ry zareo. Mailo dia mailo anefa ny Rahalahy Chigodi satria tsy tiany ny hahatandindomin-doza an’ireo rahalahiny. Nisisika ihany ireo tanora. Farany, dia nisy fampianarana natomboka. Nahafaly fa nandroso hatramin’ny batisa ny sasany, ary loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana mihitsy aza ny sasany amin’izao fotoana izao.

Ny rahalahy nahatoky hafa iray, i Samuel Dzaononga, dia natao am-ponja inefatra tany Dzaleka noho ny fialanalanany. Avy eo, tamin’ny 1989, rehefa avy nanda tamin’ny fomba hentitra indray tsy hividy karatry ny antoko izy, dia nosamborina fanindiminy. Nentin’ireo anisan’ny Fikambanan’ny Tanora tany amin’ny paositry ny polisy tany Salima izy. Akory moa ny hagagan’ireto tanora ireto rehefa nilazan’ilay polisy tompon’andraikitra hoe: “Raha tian’ialahy isany ny mbola handefa ity rangahy ity any am-ponja, dia aleo miomana hiaraka aminy any koa ialahy isany. Tsara ho fantatr’ialahy isany izay niaretan’ity rangahy ity, kanefa tsy nampandefitra ny finoany mihitsy izy. Vonona ny hanao izany ve ialahy isany?” “An an an”, hoy izy ireo namaly. Izao àry no teny nanampin’ilay polisy: “Raha izany no izy, dia aleon’ialahy isany mamerina ity rangahy ity any an-tanànany ary tsy manelingelina azy intsony. Tsy hampandefitra ny finoany na oviana na oviana izy.” Dia nentina niverina tany an-tanànany àry ny Rahalahy Dzaononga. Rehefa tonga tany ry zareo, dia nantsoina ny mpiadidy ary nampitandremana mba tsy hamela ilay rahalahinay hohelingelenina intsony. Nanomboka teo ny Rahalahy Dzaononga, dia hita namaky gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! sy nitory tamin’ireo mpiara-monina taminy — an-karihary ary tsy nisy tahotra ny ho voahelingelina.

Fanaovana fanambarana tsy ara-potoana

Fanambarana tsy ara-potoana no natao nandritra ilay fandrarana manontolo. Rehefa tsy dia mafy loatra anefa ny fanoherana, dia natao tamin-kasahiana kokoa aza izany. Nametrahana ny boky Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe ny vehivavy iray mbola tanora, izay nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly, tany am-piandohan’ny taona 1990, tao an-tanànan’i Ntcheu. Koa satria tsy nahay namaky teny tsara izy io, dia nampirisihin’ireo rahalahy mba hanasa olona hamaky ilay boky taminy. “Olona azonao itokisana anefa no tokony hotadiavinao”, hoy ny fampitandreman’ireo rahalahy. Niara-nipetraka taminy i Simon, zandriny lahy, tamin’izany fotoana izany. Io no olona azony nitokisana. Teo am-pamakiana ilay boky ho an’ny anabaviny, dia nanaiky vetivety foana i Simon fa fahamarinana ilay izy. Natomboka ny fampianarana Baiboly tsy tapaka tamin’i Simon rehefa nandeha ny fotoana. “Ny tenako mihitsy no nahita avy tao amin’ny Baiboly fa henjehina ny Kristianina marina”, hoy i Simon, “koa fantatro fa ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny fivavahana marina.” (2 Tim. 3:12). Nandroso haingana i Simon Mangani, ka natao batisa tamin’io taona io ihany, ary manompo ao amin’ny Betela eto Lilongwe izy, amin’izao fotoana izao.

Nitondra vokany tsy nampoizina ho an’i Beston Madeya, mpisava lalana maharitra, ny oram-baratra tampoka iray tany Blantyre. Nahita fialofana teo an-davarangan’ny fiangonana kely iray izy. Teo am-piandrasany ny hitsaharan’ny orana, dia sendra reny ny olona sasany nanontany ny pastorany hoe: “Mankany an-danitra daholo ve ny olona tsara fanahy rehetra?” Tsy afaka namaly ilay pastora. May ny hanampy azy ireo ny Rahalahy Madeya ka niditra tao amin’ilay fiangonana ary nanolo-kevitra ny hamaly an’ilay fanontaniana. Gaga izy fa nanaiky ry zareo. Nisy fanontaniana maro hafa nanaraka izany, ary tsy ela dia fampianarana Baiboly fito no notarihina.

Nanararaotra ny fahafahana hanao fanambarana koa ireo tanora tany an-tsekoly. Rehefa nasaina hanao famoronan-dahatsoratra iray i Dorothy Nakula, dia nanapa-kevitra ny hanoratra momba ny niavian’ny Krismasy. Tena nampiaiky volana an’ilay mpampianatra azy izy io ka nasehony an’ireo mpampianatra hafa. “Taiza no nahazoan-drỳ izany fanazavana izany?”, hoy izy ireo nanontany. Ho vokany dia nahapetraka gazety 17 tamin’ireo mpampianatra azy i Dorothy.

“Dadatoa malala”

Tsy mba nahatsiaro tena ho irery na oviana na oviana ireo mpanompon’i Jehovah, na dia voatery niaritra fahoriana be aza. Fantatr’izy ireo fa nanohana azy i Jehovah, ary natoky ny fitiavana sy ny fanohanan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany izy ireo.

Ankoatra ny zavatra nataon’ny sampana tany Rhodésie (Zimbabwe ankehitriny) sy tany Zambia, dia niezaka mafy ireo rahalahy teto an-toerana nanao izay hahazoan’ny andian’ondry teto Malawi fikarakarana feno fitiavana sy sakafo ara-panahy. Ny Komity Niandraikitra ny Asa, na Biraon’ny Mpiasa araka ny niantsoana azy, dia nandray anjara asa lehibe tamin’izany. Nahafaoka inona avy ny asan’izy ireo? Manazava toy izao i Lemon Kabwazi, anisan’ny Komity Niandraikitra ny Asa nandritra ny taona maro: “Ny andraikitray voalohany indrindra dia ny fanaovana izay hahatongavan’ireo zavatra vita an-tsoratra tany amin’ireo rahalahinay. Koa nandany fotoana be dia be izahay nandrindrana sy nampaherezana ireo iraka mpitondra zavatra sy ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nitsidika ireo rahalahy niharam-panenjehana koa izahay, mba hamaritana ny fomba azonay anampiana sy anatanjahana azy ireny.”

Nisy taratasy fampaherezana sy vatsy betsaka nalefa tany amin’ny kôngregasiôna maro samihafa. Nety ho nampidi-doza ny fampiasana ny paositra, hany ka namorona teny famantarana sy anaram-bosotra manokana ireo rahalahy mba hanafenana ny tena anarany. Nosoniavina hoe “S.O.” ireo taratasy avy tany amin’ny Komity Niandraikitra ny Asa. Tamin’izany fomba izany, na dia tratra aza ny taratasy iray, dia tsy hain’ireo manam-pahefana ny nanavaka hoe momba ny inona ilay izy. Fantatra tamin’ny nomeraon’ny fizaran-taniny ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, ary noresahina ho “herinandro manokana” ny fitsidihany. Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia mbola re ihany ny sasany milaza hoe: “Hahazo ny fitsidihan’i M-11 izahay amin’ny herinandro manokanay tsy ho ela.” Ahoana ny amin’ny Komity Niandraikitra ny Asa? Nalefa ho an’i “Dadatoa malala” ireo taratasy avy teto Malawi manontolo, ary nalefa ho an’ireo “zana-drahalahy” sy “zanak’anabavy” maro samihafa ny valin-taratasy. Nanampy ny rehetra mba hifandray hatrany nandritra ireo taona maro nisian’ilay fandrarana, ny fahamalinana toy izany.

Tena nampiseho marina ny dikan’ny hoe mikatsaka voalohany indrindra ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ireo loholona tao amin’ny Komity Niandraikitra ny Asa. (Matio 6:33). Mbola manompo an’i Jehovah manontolo andro foana ny sasany toa an’i Ellyson Njunga, sy i Havery Khwiya, sy i Adson Mbendera ary i Lemon Kabwazi. Nampirisika ny maro hafa hametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany sady hihazona tsy fivadihana ao anatin’ny fahoriana, ireny oha-pahatokiana ireny.

Fiovana ara-politika

Rehefa nanomboka nahazo ny tapany atsimo manontolon’i Afrika ny onja vaovaon’ny firehetam-po “ho an’ny demokrasia”, dia voakasika koa i Malawi. Nandritra ny 1992, dia nitsangana hanohitra ny fitondram-panjakana ny fanerena niraisam-pirenena, mba hanatsarany ny tantarany raha ny amin’ny zon’olombelona. Ho valiny, dia nanambara toy izao ny prezidà, ny Dr. Banda: “Na iza na iza manery ny olona hividy karatry ny antoko (...) dia manohitra ny fitsipiky ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi.” Hoy ny teny nanampiny: “Tena ratsy izany, tena ratsy mihitsy (...) Tsy nanome baiko na iza na iza hanao zavatra toy izany mihitsy aho.” Natsahatry ny Dr. Banda, araka izany, ireo zavatra izay nahatonga fijaliana be ho an’ireo rahalahinay nahatoky teto Malawi nandritra ny 25 taona.

Hitan’ireo Vavolombelon’i Jehovah taorian’izany fa azo natao an-karihary sy malalaka ny ankamaroan’ireo fivoriany sy fivoriambeny. Tsy nisy intsony ny tatitra voaray momba ny fanorisorenana na ny fanenjehana. Ela ny ela ka nisy ny fahalalahana ary nanararaotra izany tamin’ny fomba feno ireo rahalahy. Tsy niomana ho amin’izay hitranga nanaraka anefa izy ireo.

“Andriamanitra mahatalanjona i Jehovah!”

12 Aogositra 1993 — andro iray tsy hay hadinoina tokoa izy io ho an’ny vahoakan’i Jehovah eto Malawi! Nesorina tamin’ny farany ilay fandrarana izay naharitra efa ho 26 taona. Tsy fantatr’ireo rahalahy akory aza ilay izy tamin’ny voalohany. Tamin’ny fotoana nampiharana ilay fandrarana tamin’ny 1967 mantsy, dia nampitondraina matoan-dahatsoratra tamin’ny sora-matevina momba io fanoherana an’ilay “sekta ‘mampidi-doza’ ” io, dia ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo gazety nanerana an’i Malawi. Izao anefa dia tsy nisy feo re, rehefa nesorina ilay fandrarana. Raha ny marina aza, dia kisendrasendra no nahitan’ny rahalahy iray filazana madinika kely tao amin’ny Government Gazette. Rehefa tonga moramora tany an-tsofin’ireo rahalahy ilay vaovao, dia dibo-kafaliana izy ireo, saingy somary tsy nino ihany. Nahoana? Hoy ny Rahalahy Kabwazi: “Nivavaka izahay mba hanesorana ilay fandrarana indray andro any, saingy tsy noheverinay mihitsy fa hitranga amin’ny andro mbola ahaveloman’ny Dr. Banda izany.” Hoy ny teny nanampiny: “Andriamanitra mahatalanjona i Jehovah!”

Tamin’ny 1967, talohan’ilay fandrarana, dia nisy mpitory narisika sahabo ho 18 000 tao amin’ireo kôngregasiôna. Nisy firy izy ireo izao, taorian’ny fanoherana nahery vaika matetika, izay naharitra 26 taona? Tampon’isa vaovao amin’ny mpitory 30 408! Nandresy ny fahoriana rehetra ny tsy fivadihan’ireo rahalahinay sy anabavinay, mba ho fiderana ny anarana be voninahitr’i Jehovah!

Dibo-kafaliana ny Vavolombelon’i Jehovah noho ilay fahalalahana vao azony. Na izany aza, dia takatr’izy ireo koa fa nisy asa betsaka kokoa mbola tsy nisy toy izany niandry azy ireo.

Ezaka manokana iray

Raha vao tonga tany amin’ny biraon’ny sampan’i Zambia ilay vaovao, dia nirahina hankatỳ Malawi i Ed Finch. Tsy hizaha tany akory no hahatongavany, fa hanampy mba hampiorina araka ny lalàna indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi. Nanana fahafahana hiara-miasa tamin’ny kôngregasiôna niteny anglisy tao Blantyre izy sy i Linda, nandritra ilay fitsidihany. Mbola tsy nanao fanambarana isan-trano mihitsy ny ankamaroan’ny mpitory tao, hany ka mora takatra raha natahotra izy ireo. Rehefa nandresy lahatra kely azy ireo anefa ry Finch mivady, dia nivoaka teny amin’ny fanompoana daholo ny mpitory rehetra. Nientanentana erỳ izy ireo rehefa niverina adiny roa tatỳ aoriana, ka niresaka ny zavatra hitany! Tompon-trano maro no nihaino tamim-pahadodonana. Ny hafa niarahaba azy ireo, noho ny fahalalahana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Taorian’izany, dia hitan’ireo rahalahy ho mora kokoa ny nandray anjara tamin’ny fanompoana.

Hita ho tena sarotra ny nanoratra ara-panjakana indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi, tamin’ny voalohany. Tsy nisy mantsy biraom-panjakana nahitana porofo fa efa nosoratana ara-panjakana teto Malawi ny Fikambanana taloha. Avy eo, indray andro, dia nahamarika boky maro efa tonta tao amin’ny birao fisoratana tao Blantyre i Ed Finch. Nalainy ilay boky nisy marika hoe “W”. Eny, tao ilay fanoratana ara-panjakana tany am-boalohany! Nizotra haingana avy eo ilay fanoratana ho ara-dalàna. Tamin’ny 15 Novambra 1993, ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, izay masoivoho ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nosoratana ara-panjakana indray. Nekena ara-dalàna ho fivavahana indray ny Vavolombelon’i Jehovah eto Malawi.

Tany amin’ny faramparan’io taona io, dia nisy ezaka manokana natao nanerana an’i Malawi, nampielezana taratasy mivalona. Nety tokoa ny nanolorana ilay taratasy mivalona hoe Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? tamin’ireo fiteny lehibe telo. Nahatratra zava-kendrena roa sosona izy io. Voalohany, dia nanampy ireo rahalahy sy anabavy mba ho be hatao indray teo amin’ny fanompoana ampahibemaso izy io. Ary faharoa, dia nanampy ny besinimaro hahafantatra ny zava-misy momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Taratasy mivalona maherin’ny iray tapitrisa no voazara, ary taratasy fanehoam-pankasitrahana maro no tonga nanao tohy vakana tao amin’ny biraon’ny sampan’i Zambia. Nanomboka re isan-trano sy teny amin’ny arabe teto Malawi indray ny fanambarana fiderana an’i Jehovah ampahibemaso!

Fandaminana indray ny asa

Tamin’ny fotoana nanaovana tany Zambia ny kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ho an’ny faritra atsimon’i Afrika indrindra, no tonga tany ny vaovao momba ny fanesorana ilay fandrarana. Niteraka fientanentanana be teo amin’ireo Betelita sy teo amin’ireo mpianatra izany. Endre ny fihetseham-pon’ny roa tamin’ireo mpianatra nahazo fanendrena hiasa eto Malawi! Hatramin’ny 1967, dia izy ireo no mpanompo manontolo andro vahiny voalohany voatendry hiasa eto Malawi. Manompo ao amin’ny Betela eto Lilongwe ankehitriny izy mirahalahy ireo, dia i Andrew Bird sy i Karl Offermann. I Bernard Mazunda no rahalahy voalohany avy eto Malawi nahazo izany fampiofanana izany tamin’io kilasy io ihany. Mpiandraikitra ny fizaran-tany izy ankehitriny, miaraka amin’ny hafa izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fampiofanana tatỳ aoriana.

Mbola nanohy namaha ireo olana nahakasika ny fandaminana indray ny asa teto Malawi, ireo rahalahy avy tao amin’ny sampan’i Zambia, nandritra izany fotoana izany. Tsikaritr’izy ireo vetivety foana fa na dia tsy voarara intsony aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mbola voarara kosa ireo zavatra vita an-tsorany ara-baiboly. Nisy fivoriana faran’izay nahasoa natao niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsarana, mba handaminana ilay raharaha. Nanao dingana avy hatrany izy io mba hanesorana ilay fandrarana tamin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Afa-tsy izany koa, dia vonona izy ny hanampy teo amin’ny fitadiavana tany nety ho an’ny birao vaovaon’ny sampana. Ho vokany, dia nisy tany tsara dia tsara nirefy 12 hektara azo novidina teto Lilongwe. Efa eo am-panaovana azy izao ny asa fanorenana ny trano vaovaon’ny sampana, eo amin’io tany afovoan-tanàna io.

Koa satria nanomboka nivory an-karihary indray ireo kôngregasiôna, dia maro no faly erỳ nihaona tamin’ireo namany izay talohan’ilay fandrarana no nifankahitany taminy farany! Nihoatra ny fotoana ireo fivoriana, nefa toa tsy nisy sarotiny tamin’izany. Tsy noferana ho amin’ny fampikasohan-tanana fotsiny intsony ny fankasitrahan’ireo mpanatrika ny lahatenin’ireo rahalahy. Nisy tehaka nafana kosa ho an’izay rehetra niakatra teny amin’ny lampihazo. Tsy voatery nohiraina tamin’ny feo iva intsony ny hiran’ilay Fanjakana. Afaka nihira mafy sy mazava izao ireo rahalahy. Ilay hoe “Misaotra, Jehovah ô!” no vetivety foana dia nanjary ilay hira tian’ny rehetra indrindra.

Na izany aza, dia takatr’ireo rahalahy fa nila fanampiana izy ireo mba haharaka teo amin’ny raharaha nahakasika fandaminan-javatra. Nanaiky tamim-panetren-tena sy tamim-pahadodonana ny fitarihan-dalana avy tamin’ny biraon’ny Fikambanana sy avy tamin’ireo rahalahy hafa nahazo fampiofanana manokana, ireo loholona. Tsy ela dia voamarika fa nisy fihatsarana haingana teo amin’ny fomba fandaminan-javatra tao amin’ireo kôngregasiôna. Nihanitombo hatrany koa ny isan’ny mpitory. Tamin’ny taom-panompoana nanaraka ny fanesorana ilay fandrarana, dia mpianatra vaovao 4 247 no natao batisa, ary 88 903 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

Nisy fanampiana betsaka kokoa tonga

Nientanentana be ny teto Malawi rehefa niely ny vaovao fa hiverina indray ireo mpivady misionera roa izay nanompo teto talohan’ilay fandrarana. Tonga tamin’ny 1 Febroary 1995 mba hanampy hanao ny asa tao amin’ny birao teto Lilongwe, i Keith sy i Anne Eaton, izay nanompo tany Zimbabwe teo anelanelan’izany. Tatỳ aoriana, dia voatendry hiasa ao amin’ny tranon’ny misionera tao Blantyre i Jack sy i Linda Johansson izay tany Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny). Samy nahazo fanomezan-dalana hipetraka maharitra eto Malawi indray ireo mpivady roa ireo. Endre ny fifalian’ireo misionera efa hatramin’ny ela ireo sy ny an’ireo rahalahy sy anabavy eto Malawi izay niara-nanompo taminy talohan’ilay fandrarana, rehefa tafahaona indray izy ireo!

Nanana tombontsoa ho mpiandraikitra ny zone voalohany nitsidika an’i Malawi, taorian’ny taona maro dia maro, i Malcolm Vigo tamin’ny Febroary 1995. Ao amin’ny sampan’i Nizeria izy ankehitriny, fa mpikarakara ny sampana teto Malawi kosa fony nampiharina ilay fandrarana. Niaraka taminy i Linda Louise, vadiny. Nanao ahoana ny fihetsik’ilay rahalahy? “Zavatra tena nampientana ilay izy sady tombontsoa. Toy ny hoe miverina mody e!”

Tetsy an-danin’izany, dia nisy misionera sy rahalahy nahay hafa avy amin’ireo sampana teto akaiky, voatendry hiasa teto Malawi koa. Tonga nanao tohy vakana ny taratasy maro avy eny amin’ny saha. Azo antoka fa nisy ‘zavatra be dia be hatao amin’ny asan’ny Tompo’. — 1 Kor. 15:58, NW.

“Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”

Alao sary an-tsaina izay tsapan’ireo Vavolombelona teto Malawi, nandritra ny volana Jolay sy Aogositra 1995. Sambany tamin’izay, tao anatin’ny 28 taona, vao nanjary azo natao teto ny fivoriamben’ny distrika. Toy ny any amin’ny ankamaroan’ireo fivoriambe eto Afrika, dia nitondra ny katundu-ny (entany) rehetra ireo fianakaviana. Anisan’izany ny bodofotsy sy ny vilany ary ny kitay handrahoany ny sakafony koa aza.

Ny ankamaroan’ny mpanatrika dia tsy nahatadidy ireo fivoriambe farany natao talohan’ilay fandrarana. Na mbola kely loatra izy ireo tamin’izany, na teraka taorian’ny datin’ilay fandrarana, na koa mbola tsy nianatra ny fahamarinana. Koa io no fivoriamben’ny distrika voalohany natrehin’ny ankamaroan’izy ireo. Tena nety tokoa àry ilay foto-kevitra hoe “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”. Fony tonga teo amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe izy ireo, dia nikoso-maso noho ny tsy finoana ny sasany, ka nilaza hoe: “Tsy manonofy aho, sa ahoana?” Nientanentana izy ireo, satria tafaray indray tamin’ireo mpiara-mivavaka aminy maneran-tany tamin’io fandaharan’ny fivoriambe io. Fivoriambe sivy tamin’ny fitambarany no natao tany amin’ny toerana maro samihafa teto Malawi, ary nisy maherin’ny 77 000 ny tontalin’isan’ny mpanatrika! Noraisina tamin-kafanam-po ny fitaovana vaovao hampiasaina eny amin’ny saha fanompoana, dia ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Na dia tamin’ny teny anglisy ihany aza no namoahana azy io tao amin’ilay fivoriambe, dia faly ireo rahalahy nahafantatra fa efa teo am-panaovana azy ny fandikana azy io ho amin’ny teny chichewa.

Nisy fivoriambe iray tamin’ny teny anglisy koa, izay na dia kely aza, dia tena raharaha niraisam-pirenena tokoa. Nisy mpitsidika tonga avy tany Mozambika sy Afrika Atsimo, sy Zaïre, sy Zambia ary Zimbabwe. Mahaliana fa tao amin’ny Kwacha Conference Center, tao Blantyre, no nanaovana an’io fivoriambe io. Io trano io dia naorin’ny Dr. Banda manokana mba hanaovana ny sasany tamin’ireo fivorian’ny antoko politikany. Nihaino tamim-pahadodonana ireo mpitsidika, rehefa nadinadinina momba ny zavatra niainany nandritra ireo taona nisian’ilay fandrarana ny rahalahy roa teto an-toerana, dia i Widdas Madona sy i Lackson Kunje. Teo koa i Ed Finch, izay nilaza toy izao momba io fotoana nahafaly io: “Endre! Efa ela tokoa no nivavahanay rehetra mba hahatongavan’izao andro izao! Izao dia ranomasom-pifaliana be no nikoriana teo amin’ny tavan’ireo olona tafavory. Nanganohano ny ranomasonay ary kendakenda koa izahay nahita an’i Victor Lulker nanao batisa an’i Angeline, zanany vavy, tao anaty baignoire fandroana, tsy niafina fa an-karihary.” Rehefa nifarana tamin’ilay hira hoe “Misaotra, Jehovah ô!” ilay fivoriambe, dia feno indray ny fo ka nirotsaka be ny ranomaso. Hitoetra maharitra ao amin’ny fitadidian’ireo mpidera an’Andriamanitra falifaly izay tonga nanatrika izany, ireny fivoriambe sivy ireny.

Nitohy indray ny asan’ny sampana

Nanjary sampana indray ny birao teto Malawi tamin’ny 1 Septambra 1995, ary niasa teo ambany fitarihan-dalan’ny Fitambara-mpitantana. Teto Lilongwe ny birao tamin’ity indray mandeha ity. Nisy kôngregasiôna 542 sy mpitory maherin’ny 30 000 teto Malawi, koa betsaka àry ny asa tokony hatao.

Tena nandroso amin’izay izao ny zava-drehetra! Tsy maintsy niasa mafy ireo Betelita folo tamin’ny voalohany mba hahavitana ny asa rehetra. Hatramin’io fotoana io, dia nisy Betelita hafa koa sy rahalahy hafa nanolo-tena an-tsitrapo hanohana ka nantsoina mba hanampy. Ny ekipan’ny mpandika teny chichewa sy tumbuka koa dia nafindra avy tany Zambia nanketo amin’ny “tanin’ireo” fiteny ireo.

Nisahirana nanampy ireo rahalahy hiatrika ny toe-javatra vaovao izay misedra ny tsy fivadihan’izy ireo, ny sampana. Anisan’izany ny fiarahabana saina, ny fahalotoam-pitondran-tena, sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny naman-dratsy. Naorina ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly mba hanampy an’ireo tojo zava-manahirana nahakasika ny fampidiran-dra.

Tena nanampy betsaka koa izy mirahalahy sy ny vadiny avy, izay voatendry hiasa indray eto Malawi rehefa avy nanao ny asa fitetezam-paritany tany Afrika Atsimo. Mpiandraikitra ny distrika izy ireo izao ary manao asa tsara dia tsara.

Vao haingana kokoa, tamin’ny 20 Martsa 1997, dia nisy zavatra nampientana hafa iray nitranga. Ravoravo ny Vavolombelona nanerana an’i Malawi nandre tamin’ny filazam-baovao antoandro tamin’ny radio, fa naverin’ny fitondram-panjakana tamin’ny Fikambanana ny tany sy ny tranon’ny sampana teo aloha. Nalain’ilay fitondram-panjakana teo aloha an-keriny izy io tamin’ny 1967, ary nampiasainy ho Foiben’ny Faritra Atsimon’ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi. Naverina teo an-tanan’ny tompony ara-dalàna izy io ankehitriny — 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Tena nisy fanambarana lehibe teto Malawi manontolo, rehefa naverimberina tamin’ny filazam-baovao rehetra tamin’ny fiteny lehibe rehetra io vaovao io, nandritra ny andro! Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ho toeram-pivoriana kristianina tsy tapaka indray io trano io amin’izao fotoana izao.

Mampitombo i Jehovah

Tena nitahy ny asan’ny mpanompony teto Malawi i Jehovah hatramin’ny nanesorana ilay fandrarana. Tompon-trano maro no dodona nampandroso ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tranony, ary nanaiky ireo zavatra vita an-tsorany sy ny fanolorana fampianarana Baiboly maimaim-poana. Tamin’ny fotoan’ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, natao vao haingana, dia gaga ny ramatoa iray nahita Vavolombelon’i Jehovah nahaforona vahoaka sesehena niara-nivory tao akaikin’ny tanàna iray antsoina hoe Namitete. “Avy aiza daholo ireo olona an’arivony maro ireo?”, hoy izy nanontany. “Mahatalanjona izany! Tao anatin’ny fandrarana naharitra ela be ange ianareo e!” Voatosik’izay hitany io ramatoa io, ka niaraka tamin’ireo mpivavaka nahaforona vahoaka sambatra ireo, ary nihaino ny fandaharana. Nanaiky hianatra Baiboly koa izy, taorian’izay.

Nandray tsara ny fahamarinana koa ny fahavalo taloha sasany, ary nisy aza voatosika hiala tsiny noho ny zavatra nataony nandritra ilay fandrarana. “Tsy izahay fa ny fanjakana no nampanao anay ireny zava-dratsy ireny taminareo”, hoy izy ireo. Faly erỳ ireo rahalahy nandray an-tanan-droa ireny olona ireny tao amin’ny fivoriany. Na dia ny minisitra iray tao amin’ny fitondram-panjakana teo aloha aza dia miara-mianatra Baiboly amin’ny mpisava lalana iray eto Lilongwe ankehitriny. Izy io ilay rangahy “niarahaba tonga soa” an’ireo rahalahinay, fony izy ireo noterena hiverina avy tany Mozambika tamin’ny 1975, ka nilaza tamin’izy ireo mba hiverina tany an-tanànany ary hiara-miasa tamin’ny antoko politikan’ny mpitondra.

Tsy misy mampiseho fananana lolompo ny Vavolombelona ary tsy misy mitady hamaly faty. (Rom. 12:17-19). Ny hany tian’izy ireo hatao dia ny hidera an’i Jehovah Andriamanitra satria manana fahafahana hanao izany izy izao. Dodona izy ireo hianatra ny fomba fampiasa ny fitaovana rehetra izay hanampy azy ho mpampianatra mahomby eo amin’ny fanompoana. Amin’ny fampiasana fitaovana toy Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina sy ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ary koa ireo vidéos-n’ny Fikambanana, dia manampy olona liana an’arivony maro mba hanomboka hianatra ny Baiboly, izy ireo.

Ny hoe hafiriana no mbola hamelan’i Jehovah anay hitady ireo olona ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’, dia tsy fantatray. (Asa. 13:48, NW ). Ny zavatra miharihary anefa dia ny azo anampoizana fa hisy fanangonana ara-panahy mahatalanjona eto Malawi. Ny volana Jona 1998 dia nahitana tampon’isa vaovao nampientana tamin’ny mpitory 42 770 namerina tatitra! Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” natao tamin’ny 1998, dia 152 746 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika ary ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay nankalazaina tany am-piandohan’io taona io, dia natrehin’ny olona 120 412!

Eny, mahatsinjo hoavy tena mamirapiratra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah eto Malawi. Alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia manantena izy ireo fa ho afaka hanampy olona an’arivony maro hafa mba ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra. Miandrandra koa ny andro izay hahafahany handray ireo mpianakaviny sy namana tsy foiny avy ao amin’ny fahafatesana izy ireo. Tsy iza izany fa ireo rahalahy sy anabavy kristianina izay vonona ny ho faty toy izay hampandefitra ny finoany sarobidy. Miandrandra amim-pahadodonana ny andro hahatonga an’i Malawi ho anisan’ilay paradisa maneran-tany izy ireo. Ao dia hitoetra tsy hanana ahiahy ny rehetra, ary ho afaka hanana fiainana lavorary mandrakizay ireo rehetra tia sy manompo an’i Jehovah.

Niaritra zava-tsarotra lehibe izay nisedra ny finoany ireo Vavolombelon’i Jehovah teto Malawi. Loharanom-pampaherezana ho an’ilay fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany misy azy koa ny tsy fivadihany tao anatin’ny fahoriana. Ary ny fahadodonany hitory ny vaovao tsara “na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra”, dia ohatra mendri-kotahafina. (2 Tim. 4:2, NW ). Ireo izay mahafantatra azy ireo dia tena mahatsapa fa nahita “ny fo feno fitiavana mafanan’i Afrika” tao aminy izy ireo.

[Sarintany, pejy 191]

(Jereo ny boky)

ZAMBIA

Tobin’i Sinda Misale

MALAWI

Farihy Malawi

Lilongwe

Zomba

Blantyre

Tendrombohitra Mulanje

MOZAMBIKA

Tobin’i Mlangeni

Tobin’i Milange

MOZAMBIKA

[Sary, pejy 148]

[Sary, pejy 153]

Gresham Kwazizirah, natao batisa tamin’ny 1925

[Sary, pejy 157]

Bill McLuckie ao amin’ny biraon’ny Fikambanana tao Zomba

[Sary, pejy 162]

Karazana tanàna kely fahita eto Malawi

[Sary, pejy 165]

Alex Mafambana

[Sary, pejy 170]

Vavolombelona tonga tao amin’ny fivoriambe teo akaikin’ny Tendrombohitra Mulanje tamin’ny 1966

[Sary, pejy 177]

Voarara ny Vavolombelona; nohidiana ny vavahadin’ny tokotanin’ny sampana

[Sary, pejy 178]

Na dia rava aza ny trano fonenan’i Finley Mwinyere, dia ny hanatanjaka ireo rahalahiny no nahìny

[Sary, pejy 186]

Bill McLuckie sy Denise, vadiny

[Sary, pejy 192]

Lampihazo afovoany nanomezana fampianarana ara-baiboly ary nanendrena ho amin’ireo adidy tao amin’ny toby

[Sary, pejy 193]

Batson Longwe, fantatra tamin’ny hoe “7-2-7”

[Sary, pejy 194]

Tobin’ny mpitsoa-ponenan’i Nazipoli, akaikin’i Mlangeni, nisy trano naorin’ny Vavolombelona ho an’ny fianakaviany avy

[Sary, pejy 200, 201]

Nanohy nanompo tamim-pifaliana ireo Vavolombelona na dia efa nogadraina aza teo aloha noho ny finoany

[Sary, pejy 202]

Iraka mpitondra zavatra nanao vivery ny fahafahany mba hitondrana sakafo ara-panahy tany amin’ireo rahalahiny

[Sary, pejy 204]

Mpitsidika tsy tapaka an’i Malawi i Ed sy i Linda Finch nandritra ilay fandrarana

[Sary, pejy 210]

Loholona tafavory mba hianatra tao amin’ny lakilasy iray an-kalamanjana

[Sary, pejy 215]

Keith sy Anne Eaton, Linda sy Jack Johansson — faly tafaverina eto Malawi

[Sary, pejy 216]

Komitin’ny Sampana (avy any ambony no midina): Lemon Kabwazi, Keith Eaton, Colin Carson

[Sary, pejy 217]

Ambony: Vavolombelona nanolo-tena tamin-kafanam-po mba hanadio ilay toerana nisy ny sampana teo aloha, fony izy io naverina

Ankavanana: Rahalahy maka tahirin-javatra vita an-tsoratry ny kôngregasiôna avy ao amin’ny sampana

[Sary, pejy 218]

Malcolm Vigo tafahaona indray tamin’i Widdas Madona, izay niara-nanompo taminy tao amin’ny sampana talohan’ilay fandrarana

[Sary, pejy 220]

Efitrano Fanjakana iray mitafo bozaka. Efitrano Fanjakana ho an’ny kôngregasiôna 600 hafa koa no ilaina!

[Sary, pejy 223]

Vavolombelona falifaly manohy manambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eto Malawi