Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

NAMPIRISIKA toy izao ny apostoly Paoly, araka ny voasoratra ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:18: “Misaora amin’ny zavatra rehetra”. Nandritra iny taom-panompoana lasa iny, dia nisy zavatra maro be nomen’ny tanan’i Jehovah tamim-pahalalahan-tanana, izay ananantsika rehetra antony tokony hisaorana. Nitana ny fampanantenany i Jehovah, ary dia nanokatra ‘ny varavaran’ny lanitra ka nampidina fitahiana tondraka ho antsika’. Nahatonga antsika handrotsaka ranomasom-pifaliana sy ranomasom-pankasitrahana hatrany hatrany izany fitahiana izany. — Mal. 3:10; Sal. 33:1.

Araka ny hita taratra eo amin’ny Tatitra Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-panompoana 1998, eo amin’ny pejy faha-32 ka hatramin’ny faha-39, dia nisy hiakam-pandresena nanakoako tokoa re naneran-tany! Nisy tampon’isa vaovaon’ny mpitory 5 888 650 niara-nanandra-peo nidera an’i Jehovah. (Sal. 66:1, 8). Anisan’izany ireo vaovao natao batisa niisa 316 092. Tondroin’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana 13 896 312, fa mety mbola hisy an-tapitrisany maro fanampiny hiantso ny anaran’i Jehovah. Misaotra an’i Jehovah isika noho io fanangonana io. — Sal. 30:4.

Teo am-piandohan’ilay taom-panompoana, dia nahita fahafinaretana ireo mpitory naneran-tany tamin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Nanohana tamim-pahatokiana sy tamin-jotom-po io ezaka manokana io izy ireo, ka nahita vokatra tsara dia tsara sy fitahiana maro. (Ohab. 10:22; 28:20). Fotoana fohy taorian’izay, dia nandray soa avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana. Velombelona tanteraka izy ireo, ary hitan’izy ireo ho faran’izay sarobidy ilay fampiofanana. Nantitranterina ny amin’ny asa fiandrasana, ny fampianarana, ny fitoriana ny filazantsara, ary ny fiaraha-miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina. Nandefa taratasy nampiseho taratry ny fankasitrahana an’i Jehovah izy ireo, ka nitantara fa tena zava-dehibe taminy io fampiofanana io.

Nanomboka tamin’ny volana May ireo fivoriamben’ny distrika sy fivoriambe iraisam-pirenena. Nisy solontenan’ny tany 160 tonga nanatrika ireo fivoriambe iraisam-pirenena sivy tatỳ Amerika Avaratra. Nanatrika ilay fandaharana sady naseho sehatra ireo nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada sy ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ireo mpanompo iraisam-pirenena, ireo Betelita manompo ivelan’ny taniny, ary koa ireo hafa manana ny zon’ny misionera. Maro tamin’izy ireo no naneho ny fankasitrahany noho ireo fanomezana tamim-pahalalahan-tanana, izay nahafahan’izy ireo nanatrika fivoriambe tany an-tanindrazany.

Solontena mpitsidika an’arivony maro avy any amin’ny vazan-tany efatra no nilasy tao an-tranon’ireo rahalahiny kristianina, ka niara-niaina tamin’ny fianakavian’izy ireo. Vokatr’izany, dia vao mainka nihalalina ilay fitiavana mampiray ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany voaforon’ny vahoakan’i Jehovah. (1 Pet. 4:8; 5:9). Be dia be mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny fitiavana sy ny fahaiza-mandray vahiny, nifandray tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Nolazalazaina an-taratasy ny fihaonana nampihetsi-po toy izao: mpampiantrano tsy nahatana ny ranomasom-pifaliana sady kendakenda noho ny fihetseham-po, rehefa nampifankahalalaina tamin’ny vahininy mpitsidika, izay nihetsi-po toy izany koa. Izao no nosoratan’ny mpampiantrano iray: “Misaotra noho iny zavatra nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainanay iny.” Ary izao no nosoratan’ny solontena iray avy any Afrika Atsimo: “Ilay fandraisana an-tanan-droa anay (...) dia tsy hohadinoinay na oviana na oviana. (...) Izany dia hampitombo hatrany ny fankasitrahanay ny firahalahiana maneran-tany, izay fanomezana mahatalanjona avy amin’i Jehovah, Raintsika any an-danitra.”

Heniky ny toe-tsaina toy izany koa ireo solontena tany amin’ny fivoriambe tany Alemaina sy Grande-Bretagne ary Gresy. Nentanin-kafanam-po izy ireo noho ilay fandaharana tamin’ilay fivoriambe sy noho ny fiarahana tamin’ny Vavolombelona avy any an-tany hafa ary noho ny fitsidihana ireo tranon’ny sampan’ny Fikambanana. Maro no nandefa taratasy fankasitrahana sy fisaorana, noho izay zavatra nodiaviny.

Nanome fanambarana goavana ireo fivoriambe. Tsapan’ny olona fa tsy maintsy ho nifono heviny lehibe ilay loha hevitra hoe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, nasongadina teo amin’ny fonon’ny fandaharana sady naseho niharihary koa teo amin’ny insignes nanaovan’ireo rahalahintsika.

Ilay fanapahan-kevitra naroso tany amin’ireo fivoriambe tamin’iny taona iny dia nanambara ny fahatapahan-kevitsika hanaraka io fomba fiaina io nanomboka hatreo, ary haneho izany fahatapahan-kevitra izany amin’izay rehetra ataontsika: eo amin’ny fiainantsika manokana, ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, amin’ny maha anisan’ny kôngregasiôna kristianina antsika, sy amin’ny maha fitambaran-drahalahy maneran-tany antsika. — Tit. 2:11, 12; 1 Pet. 2:17.

Mametraka antsika ao anatin’ny toe-piainana tsara dia tsara ny fahatapahan-kevitsika hanaraka io fomba fiaina io. Tsy isalasalana fa mibaribary ny tsy fitoviana eo amin’ny toe-piainana ara-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao sy ny an’ireo mpivadi-pinoana sy ny hafa mihambo ho mahafantatra an’Andriamanitra sy mivavaka aminy, kanefa mandà azy amin’ny asany. (Tit. 1:16). Mampahafantatra antsika ny amin’izany fahasamihafana izany ireto teny ara-tsindrimandry hita ao amin’ny Isaia 65:13, 14 ireto: “Indro, ny mpanompoko hihinana, (...) hisotro, (...) hifaly, (...) hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo [mpivadi-pinoana] kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.” Endrey izany harena sarobidy ananantsika! Enga anie isika ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah hatrany noho izay rehetra ataony ho an’ny vahoakany amin’izao fotoana izao.

Nandia fahoriana be ny sasany amin’ny mpiara-manompo amintsika, noho ny fahasarotam-piainana, ny fanenjehana, ny fampihorohoroana, ary ny ady. Maromaro ihany no niharan’ny loza, toy ny tondra-drano sy ny rivo-doza ary ny fipoahan’ny volkano. Tsy nihena anefa ny fanantenan’izy ireo. Nanohana azy ireo i Jehovah tao anatin’ny fahoriany rehetra, hany ka mifaly amin’ireo lalan’i Jehovah izy ireo, ary afaka mitoetra hatrany ho olona ankasitrahana eo anatrehany. — Rom. 5:3-5.

Na dia miatrika fahasahiranana aza isika amin’izao fotoam-pisedrana izao, dia vahoaka voatahy sy sambatra isika. (Sal. 3:8; 144:15b). Eo am-pibanjinantsika ny hoavy, dia irintsika ny hanampy olona maro kokoa mba handray soa avy amin’ny fomba fiaina araka an’i Jehovah, toa antsika. Mbola misy ihany ny fotoana hianarany ny lalan’i Jehovah, na dia be atao aza izy ireo, ka handraisany soa avy amin’ny faharetan’i Jehovah, araka ny asehon’ny andinin-teny ho an’ny taona 1999, ao amin’ny 2 Korintiana 6:2, manao hoe: “Indro, ankehitriny no andro famonjena”. Eny, fotoana tokony hanaovan-javatra izao! Enga anie isika ho velom-pankasitrahana noho ilay tombontsoa mampahafantatra izany amin’izay rehetra vonon-kihaino.

Tafaray aminareo izahay eo am-panarahanay amim-pifaliana ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra.

Ny mpiara-manompo aminareo,

Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah