Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Afrika

Mitohy haingana ny fanangonana ny olona izay ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay”, maneran-tany. (Asa. 13:48, NW ). Any amin’ny ankamaroan’ireo tany any Afrika, dia mirohotra maro be ireo olona maniry handeha eo amin’ny lalan’i Jehovah mankany amin’ny fiainana. Mba hanampiana amin’io lafiny io, nandritra ny taom-panompoana lasa, dia navoaka tamin’ny teny yorobà (ampiasain’ny olona 23 tapitrisa) ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao). Ary navoaka tamin’ny teny tsonga (ampiasain’ny olona 4 tapitrisa) ny Christian Greek Scriptures (Soratra Grika Kristianina).

Nandritra ny dimy taona farany, dia nanao tatitra fitomboana maherin’ny 70 isan-jato i Angola sy i Ouganda teo amin’ny isan’ny mpidera ampahibemaso an’i Jehovah. Samy nahita fitomboana mahery lavitra ny 100 isan-jato i Guinée équatoriale, i Gambia, i Mozambika, ary i Rwanda. Mampiseho fitomboana 300 isan-jato i Guinée-Bissau. Manana mpitory maherin’ny 200 000 tsy tapaka, amin’ny antsalany, i Nizeria. Samy ahitana mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 100 000 manao fanambarana tsara dia tsara, matetika eo anatrehan’ny olana lehibe, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy any Zambia.

Saha iray ahitana olona maro dodona hianatra izay raketin’ny Baiboly i Burkina Faso. Nandritra ny telo volana, tao anatin’ilay taom-panompoana, dia nisy mpisava lalana manokana efatra nitory tany amin’ny vohitra 169, ao anatin’ny 140 kilaometatra manodidina an’i Ouagadougou, renivohitra. Zara raha misy lalana any amin’ny faritra sasany. Ary rehefa nitety vohitra ireo mpisava lalana be zotom-po ireo, dia nandeha an-tongotra 15 kilaometatra na mihoatra isan’andro tao anatin’ny hafanana nahatratra hatramin’ny 45 degre Celsius teo amin’ny aloka. Niresaka tamin’ny olona mbola tsy nandre mihitsy momba an’i Jehovah na nifanena tamin’ny Vavolombelony, izy ireo. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nanao ezaka ny manam-pahefana mba hampianarana ny olona eo an-toerana hamaky sy hanoratra amin’ny teny mooré, izay fitenin-drazan’ireo olona ireo. Tena vitsy kely anefa ny zavatra azo vakina. Mba hanomezana izay ilaina, dia namokatra zavatra vita an-tsoratra maromaro tamin’ny fitenin’izy ireo ny Fikambanana. Hoy ny tatitra nataon’ireo mpisava lalana: “Tena mampihetsi-po ny fihetsiky ny mponina, ary mampahery anay izany. (...) Hitanay ny fifalian’izy ireo noho ny fananana zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteniny, rehefa ela ny ela, indrindra fa zavatra vita an-tsoratra miresaka momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra.” Nandritra ireo telo volana nitoriany tao amin’io faritra io, dia nizara boky 3 615 sy bokikely 22 228 ary gazety 368 ireo mpisava lalana.

Tao amin’ny tanàna iray any Nizeria, dia nihanihenjana ny rivo-piainana tao amin’ny faritra iray nandritra ny fotoan’ny adim-poko iray, ka nahatonga ilay faritra hampidi-doza. Nisy mpitory saika handeha hitory tao amin’io faritra io. Nanaraka ny torohevitra nomena azy anefa izy ireo, ka nanomboka nandeha nody. Nisy tanora maro be efa maimbo ra anefa nisakana ny fiaran’ireo mpitory, ka nitaky ny hanomezana azy lasantsy handoroana trano. Nohazavain’ireo rahalahy ny fialanalanany, kanefa tsy niraharaha izany ireo tanora. (Jaona 17:16; Rom. 12:18). Tamin’izay ny tanora tsirairay dia nomen’ireo mpitory Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35, izay nisy ilay fanontaniana hoe “Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?” Talanjona ireo tanora nahita ilay taratasy mivalona, ka nitehaka an’ireo rahalahy, ary namela azy handeha hody soa aman-tsara.

Rehefa niasa tao amin’ny faritany mitokana ny Vavolombelona iray tany Rwanda tamin’ny taon-dasa, dia nifanena tamin’ny lehilahy iray izay tena faly nahazo ny boky Fahalalana sy nianatra Baiboly. Naneho fankasitrahana ireo fivorian’ny kôngregasiôna ilay lehilahy, dieny teo am-piandohana. (Heb. 10:24, 25). Na dia tapaka hatreo amin’ny lohaliny aza ny tongony ilany, dia nita farihy iray tamin’ny lakana izy, ary nandeha an-tongotra adiny efatra mba hahatongavana tany amin’ny toeram-pivoriana. Nanatrika fivoriana tsy tapaka izy, nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, ary nanampy ny zanany hianatra momba ny Mpamorona azy ireo. Faly erỳ izy manana fanantenana fa tsy ho ela izy dia ho afaka handeha indray amin’ny tongony roa! — Isaia 35:6.

Niara-nianatra tamin’ny Vavolombelona tany Monrovia, any Liberia, ny lehilahy iray antsoina hoe Jackson. Noteren’ny ady handositra tany amin’ny vohitra iray any Bopolu, any amin’ny distrika niaviany, anefa izy. Rehefa afaka elaela, dia naharay taratasy avy taminy ny sampana, izay nangatahany fanampiana maika dia maika mba hanorenana Efitrano Fanjakana sy handaminana ireo olona liana. Fa nahoana? Hoy ny fanazavany: “Manomboka amin’ny enina sy sasany maraina, isaky ny alahady, dia be atao be aho amin’ny fampianarana Baiboly, hatramin’ny sivy alina. (...) Tsy vitako intsony ny mikarakara ireo olona maro izay mila fampianarana Baiboly, koa notendreko ny efatra amin’ireo miara-mianatra Baiboly amiko mba hanampy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly maromaro koa. (...) Olana lehibe indrindra atrehiko ankehitriny ny hoe amin’ny fomba ahoana no hikarakarana ity kôngregasiôna tsy mitsaha-mitombo ity. Mbola zaza ara-panahy ny tenako, ary mila ronono ara-panahy; koa ahoana no ahafahako mamahana ny hafa?” Nanao tatitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray izay nitsidika an’i Bopolu, fa nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny olona 37 i Jackson, ary mbola nisy maro kokoa noho izany aza naniry hianatra. Nanipy hevitra ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany hoe nilana mpisava lalana manokana maika dia maika tany Bopolu. Tamin’ny farany, dia nahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa i Jackson.

Misy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tarihina any amin’ny kôngregasiôna 372 amin’ireo 637 any Mozambika. Misy mpianatra 5 800 eo ho eo ankehitriny manatrika ireo kilasy ireo, ary 1 525 no nianatra namaky teny, nandritra ny taon-dasa. Mendri-komarihina fa eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Mozambika, dia 72 isan-jato no mahay mamaky teny sy manoratra ankehitriny. Nanampy be dia be ny olona any mba ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana ara-baiboly, ireo kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra. — 1 Tim. 2:3, 4.

Indray maraina, rehefa naterina hianatra ny zazalahy kely roa, izay efatra sy dimy taona, avy amin’ny fianakaviana roa, any Windhoek, Namibia, dia nohazavain’ny tale fa hanao fety fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana ilay kilasy. Efa namaky ny bokikely Sekoly ilay tale, koa nanontaniany ny iray tamin’ireo reny ny amin’izay tokony hataony. Nohazavain’ilay anabavy ny toerana tanantsika, kanefa nolazainy koa fa afaka nandray fanapahan-kevitra samirery ireo zazalahy kely.

Rehefa niverina haka ny zanany ny iray tamin’ireo anabavy tamin’ny harivan’iny, dia hoy ilay tale taminy: “Afaka mirehareha tokoa ny amin’ireo zazalahy kely roa lahy ireo ianao! Navoakako izy roa lahy kely, rehefa nihira ny hoe ‘joyeux anniversaire’ ireo ankizy. Rehefa tonga ny fotoana hihinanana ny mofomamy, dia nanontany ilay zandriny raha mofomamy tamin’ilay ‘anniversaire’ ilay izy. Nolazaiko azy hoe eny, ary dia hoy ny navaliny: ‘Tsy hihinana aho fa misaotra.’ Toy izany koa no nolazain’ilay anankiray.” Tatỳ aoriana, dia nanontany an’ilay mpampianatra ny iray tamin’ireo zazalahy kely ireo raha fantany ny anaran’Andriamanitra, ary avy eo dia nanao fanambarana momba an’i Jehovah tamin’ilay mpampianatra izy. Ilay zazalahy iray hafa, araka ny nahim-pony fotsiny, dia nitondra ho an’ilay mpampianatra ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Noho ny ohatra tsara nomen’izy roa lahy kely sy ny fitoriany tamin-kerim-po, dia tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ilay mpampianatra rehefa nasaina. Natomboky ny reny iray ny fampianarana Baiboly azy, ary hoy izy: “Efa nanapa-kevitra aho ny hanao zavatra araka ny fomban’Andriamanitra, manomboka izao, ka tsy hamela na inona na inona hanakantsakana ahy.”

Mampiasa amin’ny fomba mandaitra ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana misy amin’ny cassettes, ny loholona be zotom-po iray any Zambia, amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe. Amin’ny fomba ahoana? Ajanony eo amoron-dalana ny fiarakodiany, ary alefany ny cassette mirakitra Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Asainy manatona mba hihaino izay vakina ireo mpandalo, izay tsy ela dia manontany hoe inona izany. Hazavain’ilay rahalahintsika fa vao avy nandre ampahany amin’ilay boky hoe Fahasambaram-pianakaviana izy ireo. Ho vokany, dia nahapetraka boky 29 sy nanomboka fampianarana Baiboly roa izy, tao anatin’ny iray volana.

Ireo Tanin’i Amerika

Be kokoa ankehitriny ny vokatra any amin’ny tany sasany noho ny any amin’ny tany hafa, kanefa mbola voamarina ihany fa ‘masaka hojinjana ny eny an-tsaha’. (Jaona 4:35). Tao anatin’ny dimy taona farany, i Brezila dia nahita fitomboana 33 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana; i Meksika, 36 isan-jato; i Cuba, 64 isan-jato; ary i Kolombia, 65 isan-jato. Nandritra izany fe-potoana izany ihany, dia nisy 209 249 nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao anaty rano tany Etazonia, ary nahatratra tampon’isa vaovao 1 040 283 ireo nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha!

Ny mpisava lalana manokana iray manompo any amin’ny tapany atsimon’i Honduras, dia nitarika fampianarana iray izay tena nahafaly tokoa. Lasa mpitory tsy vita batisa sahady ilay mpianatra, rehefa tonga teo amin’ny toko faha-12 amin’ny boky Fahalalana izy ireo. Nitarika fampianarana Baiboly roa sahady izy tao anatin’ny roa volana, ary nandroso sady nanatrika fivoriana ireo mpianany roa ireo: tonga mpitory ny vaovao tsara tsy vita batisa ny iray tamin’izy ireo, rehefa afaka telo volana sy tapany; nirotsaka ho mpitory koa ilay faharoa, telo volana tatỳ aoriana. Rehefa vonona hatao batisa izy, dia vonona toy izany koa ilay mpianany voalohany. Manao fandrosoana tsara koa ilay mpianany faharoa. Inona indray ny manaraka? Efa mitarika fampianarana Baiboly hafa koa amin’ny mpivady iray ilay mpianatra voalohany indrindra, izay efa rahalahintsika izao. Mahafaly tokoa ny asa fanaovana mpianatra!

Misy ezaka lehibe atao mba hanaovana fanambarana feno ao amin’ny faritry ny Ony Amazone any Brezila. Nanendry mpisava lalana 21 hitory ao amin’io faritra io, amin’ny fampiasana botry lehibe efatra, ny sampana. Za-draharaha amin’ny familian-tsambo avokoa ireo mpisava lalana ireo, ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia mihazona toe-tsaina feno fahavononana sy fahafoizan-tena izy ireo. Mandeha manaraka ireo ony Madeira, Purus, Solimões, sy Tocantins, ary koa ao amin’ny faritra manodidina ny Nosy Marajó, ireo botry. Mirefy tokony ho 9 700 kilaometatra ireo ony ireo, ary tombanana ho 370 000 ny olona monina eny amoron’ireo ony na eny amin’ny manodidina. Izao no novakina tao amin’ny taratasy iray voaray vao haingana avy tamin’ireo mpisava lalana tao amin’ny botry iray: “Tonga tao amin’ny tanànan’i Chaves izahay, rehefa ela ny ela. (...) Nanao fivoriana ampahibemaso izahay, ary nampiseho ilay vidéo hoe Unis grâce à l’enseignement divin. Nisy 70 ny mpanatrika. Nahazo ny boky Hiaina Mandrakizay ny lehilahy iray, ary nahavaky azy io hatramin’ny farany, nandritra ny herinandro nijanonanay tao. Hoy izy taminay: ‘Raha manorina fiangonana eto ianareo, dia iriko ny hiangona ao.’ ”

Mety ho sarotra ny manatratra ny hafa, tsy hoe noho izy ireo mipetraka any amin’ny faritra lavitra, fa noho izy mankany amin’ireny toerana ireny amin’ny fotoan’ny vakansy. Olona efa ho iray tapitrisa no mankany Alaska, isaky ny fahavaratra, ka miezaka hijery ny Tendrombohitra McKinley mirefy 6 194 metatra! Azontsika atao ve ny mitondra any amin’ireo olona ireo, zavatra izay mety hanampy azy hieritreritra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany? Nahazo fahazoan-dalana manokana hanangana latabatra hamelarana zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny Valam-pirenena Denali, ireo Vavolombelona eo an-toerana. Foto-kevitra nifanentana tamin’ny toe-javatra no nofidina avy tao amin’ny Mifohaza!, toy ny hoe “Les montagnes: des chefs-d’œuvre de la création” (8 Oktobra 1994, frantsay), “Qui sauvera la faune?” (8 Jolay 1997, frantsay); “Mety ho Voavonjy ve ny Ala Tropikaly?” (8 May 1998), sy ny hoe “Iditarod: dix siècles pour une tradition” (8 Oktobra 1995, frantsay). Ho vokatr’io fiezahana nankany amin’izay misy ny olona io, dia nitory tamin’ny mpitsidika avy tany Aostralia, Gresy, Kanada, Angletera, Alemaina, Italia, Ekosy, Soeda, Soisa, Taïwan, ary Chine izy ireo! Nitory tamin’ny olona maro avy tany amin’ny faritra hafa any Etazonia koa izy ireo.

Voasa matetika izao ny faritany any Meksika: isan-kerinandro na isaky ny tapa-bolana ny any amin’ny tanàna maro. Ao amin’ny vohitra kelin’i Las Nubes, ao amin’ny Fanjakan’i Chiapas, dia Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny mponina. Tokantrano telo monja no tsy Vavolombelona. Any San Antonio Buenavista, dia misy kôngregasiôna valo ankehitriny, ary tokantrano 64 monja no tsy Vavolombelona izay tokony hotsidihina. Mandeha an-tongotra mandritra ny ora maromaro ny Vavolombelona any mba hamonjena ny faritany hitoriana sy hitarihana fampianarana Baiboly.

Teo am-pifaranan’ny fivoriana iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Nikaragoay, dia niarahaba tonga soa ny tovovavy roa ny Vavolombelona iray. Noheveriny fa Vavolombelona tonga nitsidika avy tany amin’ny kôngregasiôna hafa izy mirahavavy ireo. Rehefa takatr’ilay anabavy fa, hay, tsy izany no izy, fa noho ny fahalianana ta hahafanta-javatra fotsiny no nahatongavan’izy mirahavavy, dia nanolo-kevitra ny hampianatra Baiboly azy ireo izy. Nanaiky izy mirahavavy. Tao amin’ny fivavahana iray fantatra hoe Fiainan’ny Tanora no nisy azy mirahavavy, ary mpitarika teo amin’ilay faritra izy ireo. Ny iray amin’izy mirahavavy, i Karelia, dia nanomboka nampianatra ny antokon’olona notarihiny momba ireo zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Ny anaran’Andriamanitra aloha no nanombohany azy. Nitady hanakantsakana izany fampianarana izany ny pastora iray, ka nilaza fa tsy tena anaran’Andriamanitra ny hoe Jehovah. Novalian’i Karelia hoe raha izany no izy, dia tsy ho afaka hampiasa intsony ny Baiboliny ilay pastora, satria mirakitra ny anarana hoe Jehovah izy io. Gina tsy nahateny ilay pastora. Taorian’izany, dia nampianarin’i Karelia ilay antokon’olona ny fahamarinana momba ny Andriamanitra telo izay iray sy ny lakroa. Tsy ela ireo pastora dia nanaisotra taminy ny tombontsoany hivavaka tao amin’ireo fivoriany, satria izy nivavaka tamin’i Jehovah, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Tsy nasain’izy ireo ho amin’ny fivoriana fanentanana manaraka koa izy. Koa tamin’ny fivoriana iray nataon’izy ireo, dia nambarany fa hiala amin’ilay fivavahana ny tenany ka ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nandray izany fanapahan-kevitra izany izy, rehefa avy nianatra ny toko efatra voalohany monja ao amin’ny boky Fahalalana. Tsy ampy fito volana akory, dia natao batisa izy.

Azia

Mamaly izao fanasana izao koa i Orient: “Miderà an’i Jah ianareo, ry olona! (...) Ny zavatra miaina rehetra — aoka izy hidera an’i Jah.” (Sal. 150:1, 6, NW ). Nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsara tao amin’ny tany rehetra any Azia, ary arakaraka ny ananan’ny olona fahafahana handre ilay hafatra no itomboan’ny isan’ny Vavolombelona. Any amin’ny tany sasany, dia haingana izany fitomboana izany. Samy nahita fitomboana maherin’ny 100 isan-jato i Israely sy i Bangladesy ary i Macao tao anatin’ny dimy taona farany. Manao tatitra fitomboana mahery lavitra ny 200 isan-jato i Népal sy i Géorgie ary i Kazakhstan. Misy 85 000 eo ho eo mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, any amin’ny Repoblikan’i Korea. Maherin’ny 222 000 no manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, any Japon.

Endrey ny hafaliana tamin’ny 30 Aprily 1998, rehefa neken’ny fanjakana ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan! Gaga ilay mpitari-draharaha ao amin’ny vaomieram-panjakana tompon’andraikitra amin’ny fanoratana anarana, rehefa notoloran’ireo rahalahy boky Fahalalana, izay efa natonta sy efa misy hozaraina amin’ny fiteny kirghiz.

Na dia mbola tsy vita batisa aza ny ankizy madinika, dia mahavita zavatra betsaka amin’ny fitarihana olona ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina indraindray. Ny zazalahy kely iray telo taona sy tapany, zanaka Vavolombelona, any Inde, dia sariaka tamin’ireo mpifanila trano taminy, ary nitondra azy ireo toy ny zokiny lahy sy vavy. Nasain’ilay zazalahy kely tsy tapaka ilay “rahalahiny” mpifanila trano taminy, mba hiaraka aminy hankany amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna ny alahady. Nandeha nijery sinema anefa ilay tovolahy tamin’ny faran’ny herinandro. Tsy nahaleo ditra an’ilaikely anefa izy, rehefa ela ny ela, ka nanaiky hankany amin’ny fivoriana. Avy eo ilay zazalahy kely dia tsy nanaiky raha tsy nanao fitafiana mety ilay mpifanila trano taminy mba hankanesana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Rehefa nitady hiala tsiny izy io, dia noraisin’ilay zazalahy kely tamin’ny tanany, nentiny tao amin’ny efitranony, ary nampisehoany ny fitafiana tokony hanaovana. Gaga ilay tovolahy nony tonga tany am-pivoriana, fa tiany izay reny. Tsy nanapatapaka fivoriana mihitsy izy sy ny anabaviny, nanomboka tamin’izay. Tatỳ aoriana, dia tena zendana tokoa ilay tovolahy, rehefa nahita fa nankato ny ray aman-dreniny ilay zazalahy kely, na teo ny ray aman-dreniny na tsia, satria hoe “mijery i Jehovah”. Tsy andrin’izy sy ilay anabaviny izao ny hahatongavany ho Vavolombelona vita batisa.

Mampiasa amin’ny fomba tsara ireo vidéos vokarin’ny Fikambanana ny mpitory iray any Kagoshima, Japon. Miaiky izy fa fitaovana faran’izay mandaitra mba hanohinana ny fon’ny olona ireo vidéos, ka nanapa-kevitra izy ny hijery azy rehetra miaraka amin’ny vadiny tsy mpino. Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana aloha no nojeren’izy mivady. Ho vokany, dia nanaiky hianatra Baiboly tsy tapaka ilay rangahy. Avy eo, ilay vidéo hoe Unis grâce à l’enseignement divin (Tafaray Noho ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra), dia nampiaiky volana azy fa tena misy ny firahalahiana maneran-tany, ka nahatonga azy haniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nihevitra anefa izy fa tsy ho vitany izany, noho ny asany sy ny faneren’ny havany. Rehefa avy nijery ireo vidéos voalohany sy faharoa amin’ny hoe La Bible: un livre historique et prophétique (Ny Baiboly — Boky Mirakitra Zava-misy sy Faminaniana) anefa ilay rangahy, dia nanomboka nampihatra teo amin’ny fiainany manokana ny foto-pitsipiky ny Baiboly. Tsy ela dia nivoaka nanompo teny amin’ny saha izy, tamin’ny naha mpitory tsy vita batisa azy. Farany, ilay vidéo hoe Fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie (Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia), dia nampiaiky volana azy fa manatanjaka ny vahoakany i Jehovah. Vonona ho amin’ny batisa àry izy, ka natao batisa tamin’ny Oktobra 1997.

Nikambana tamin’ny Fiangonana Metodista i Valkim, vehivavy iray mpivavaka be, any Myanmar. Rehefa nandao ilay fiangonana ny pastorany ka tonga pastora tao amin’ny fiangonana hafa, dia nanaraka azy i Valkim, satria tsy nahita tena fifaliana tao amin’ilay nisy azy izy. Nifindra indray ilay pastora tatỳ aoriana, ka nikambana tamin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara, ary tonga pastora tao. Nanaraka azy indray i Valkim. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nahatsiaro ho diso fanantenana tanteraka tamin’ny fivavahana rehetra izy, satria tsy nahazo izay nilainy ara-panahy. Tsy ela taorian’izay, dia maty tao anatin’ny telo taona ny zanany telo. Namoy fo i Valkim. Nanipy hevitra taminy ny namany mba hijereny vidéos sy hamakiany tantara noforonina mba hahazoana fahamaivamaivanana kely. Tsy nety nihena anefa ny fahaketrahany. Avy eo, indray andro, dia nandeha namangy ny havany iray i Valkim. Efa Vavolombelon’i Jehovah io havany io. Sendra nisy loholona iray tao an-tranon’ilay havany tamin’io fotoana namangiany io, ary notantaraina tamin’ilay loholona ny fahorian’i Valkim. Nanasa azy ho any amin’ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay loholona. Nilaza koa izy fa azon’i Valkim atao ny mametraka izay fanontaniana rehetra tiany hapetraka, aorian’ny fivoriana. Nanaiky ilay fanasana i Valkim. Rehefa nahazo valim-panontaniana araka ny Soratra Masina momba ireo zavatra nahavery hevitra azy izy, dia afa-po, rehefa ela ny ela. Nanaiky tsy tamim-pisalasalana hianatra Baiboly izy. Nanao fandrosoana haingana izy, ary mpitory vita batisa ankehitriny.

Matetika no mitaky faharetana ny mandresy ny sakana ateraky ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana, mba hizarana ny vaovao tsara. Misy mihaino amim-pankasitrahana anefa, ka maneho ny fankasitrahany amin’ny fanaovana ezaka mafy mba hanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Any amin’ireo tendrombohitr’i Kazakhstan no ipetrahan’i Nataliya, izay 60 taona eo ho eo. Tsy maintsy mandeha aotobisy indroa izy mba hamonjena ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana, izay 30 kilaometatra avy eo an-tranony. Midina 12 kilaometatra hatreny amin’ny lohasaha eny ambany izy, amin’ny aotobisy voalohany, ary mamita ny 18 kilaometatra fanampiny hatrany amin’ny Efitrano Fanjakana, amin’ny aotobisy faharoa. Amin’ny ririnina, dia matetika ny aotobisy no tsy mety mandeha mankeny amin’ny tendrombohitra, noho ny ranomandry sy ny orampanala, izay mahatonga ny lalana hampidi-doza. Tsy hitan’i Nataliya ho mampidi-doza loatra anefa ny fidinana an-tongotra ho eny amin’ilay lohasaha, mba handraisana ny aotobisy faharoa. Hoy izy: “Tsy maintsy mody any an-trano aho”, dia any amin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy ny fanazavany: “Manana trano roa aho. Ny iray atoriako, ary ny faharoa, ny Efitrano Fanjakana.”

Fifangaroam-pirazanana sy fiteny ary fivavahana samy hafa ny mponina israelianina. Matetika no asain’ny olona hiditra ao an-trano ny Vavolombelona any Israely mba hanazava ny antony itsidihany. Olona maro no maneho fankasitrahana amim-pahatsorana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ao anatin’ny fiaraha-monina jiosy mafana fo tafahoatra anefa, dia misy antokon’olom-bitsy tsy faly noho io fandraisana tsara kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana io. Nisy fihetsiketsehana nahavory olona tokony ho 300, natao teo ivelan’ny fivoriamben’ny distrika tany Jaffa, any akaikin’i Tel Aviv, tamin’ny Desambra 1997. Nalefa aotobisy avy tany amin’ny faritra hafa amin’i Israely ny ankamaroan’ireo mpanao fihetsiketsehana, ary tsy fantany akory hoe ho fanoherana an’iza ilay izy.

Nitarika ho amin’ny fisehoan-javatra toy izao ny herisetra efa maty paika: anabavy azon’ny vahoaka romotra ka noveleziny mafy, sy rahalahy tratran’ny otrika teo am-panaovana fiverenana mitsidika. Niezaka hanetsika fankahalana an’ireo rahalahintsika ireo mpanohitra, tamin’ny niantsoantsoany mafy antsika hoe Nazia, sy tamin’ny nilazany fa omentsika vola ny olona mba hiova hanaraka ny fivavahantsika. Na dia fantatr’ireo mpandamina io fampielezan-kevitra feno fankahalana io aza fa tsy marina izany, dia olona voafitaka maro no mino ireny lainga ireny, ka vonona hanao izay rehetra asaina ataony.

Sady tsy nanakivy ireo rahalahy ny fanoherana no tsy nahasakana ny olona liana tsy hahita ny fahamarinana. Tafintohina noho izany fihetsika tsy araka ny lalàna izany ny ankamaroan’ny Israelianina. Mpandalo maro, izay nahita ireo mpanohitra ara-pivavahana nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny Betela, no nijanona mba hanontany. Faly izy ireo nandre ny valim-panontaniana ara-baiboly. Voasinton’ireo fihetsiketsehana ny sasany, ka nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza, ary nanatrika ireo fivoriany.

Afaka nanampy ankizivavy iray izay notezaina teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, ny anabavy be fiahiana iray, any Liban. Nanatrika fivoriana ilay ankizivavy hatreo amin’ny faha-15 taonany, ary toa nandroso tsara. Tampoka teo anefa, nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny kôngregasiôna izy, ary tsy naniry hiresaka momba ny fahamarinana ara-baiboly intsony. Nanalavitra ny kôngregasiôna izy nandritra ny efa ho herintaona. Tamin’ny farany, rehefa avy nangataka torohevitra avy tamin’ny loholona sy nivavaka ny anabavy iray, dia niantso an-telefaonina an’ilay ankizivavy, ka nanontany azy raha tiany ny hotsidihina. Hoy ny navalin’ilay ankizivavy: “Nahoana ianao no te hitsidika ahy? Raha te hiresaka amiko momba ny fahamarinana ianao, dia aoka tsy hankatỳ.” Nanome toky an’ilay ankizivavy ilay anabavy fa nalahelo azy izy, ary naniry hitantara taminy momba ny diany vao haingana tany Eoropa. Nampanantena ilay anabavy fa hanaja ny faniriany, kanefa hoy koa izy hoe: “Raha ny marina, dia tena manana fanontaniana vitsivitsy tiako hapetraka aminao aho, ary mety ho azoko ampiasaina ny valin-teninao mba hanampiana tanora toa anao.”

Rehefa nihaona izy ireo, dia nitantara tamin’ilay ankizivavy momba ny diany tany Eoropa sy ny fivoriambe natrehiny ilay anabavintsika. Notantarainy ny fifaliana tsapany teo anivon’ireo rahalahy, ary koa ny fitiavana nasehon’izy ireo. Toa faly ilay ankizivavy nandre momba izany, ka niaiky volana. Nametraka fanontaniana sasany toy izao ilay anabavy nony avy eo: “Nandritra ny taon-dasa, dia niaina araka izay tianao, tsy voafehin’ny fahamarinana, ianao. Mba lazao ahy àry hoe: Sambatra sy afa-po ve ianao? Inona no zavatra tsy nisy tao amin’ny fahamarinana ka hitanao teo amin’ny fomba fiaina araka an’izao tontolo izao? Ahoana ny amin’ireo olona nifaneraseranao nandritra iny taon-dasa iny? Mihevitra ve ianao izao fa tsara toetra kokoa noho ireo izay nifaneraseranao taloha izy ireo?” Nasainy hieritreritra momba ireo fanontaniana ireo ilay ankizivavy, ka hanome ny valin-teniny any aoriana.

Nihaona indray izy ireo, folo andro tatỳ aoriana. Ho valin’ireo fanontaniana, dia nilaza ilay ankizivavy, ankoatra ny zavatra hafa, fa sorisorena izy. Niezaka izy hameno ny fotoanany tamin’ny fiasana tao an-trano sy tamin’ny fihainoana mozika ary tamin’ny fijerena tele sy vidéos, kanefa tsy sambatra. Nilaza koa izy fa niaraka tamin’ny ankizilahy iray, ary nanantena fa hanambady azy izy io. Naneho faharetana ilay anabavy nampiasa andinin-teny sy lahatsoratra “Manontany ny Tanora” avy tao amin’ny Mifohaza! ary ny boky Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra. Tamin’izany no nanampiany an’ilay ankizivavy hahatakatra ny atao hoe tena fitiavana, sy ny fomba hanehoan’ny ankizilahy iray amin’ny ankizivavy iray tena tiany, ny fitiavany sy ny fiheverany azy. Nandritra ny fitsidihana maromaro niarahan’izy ireo nandinika ireo toko dimy voalohany ao amin’ny boky Fiainam-pianakaviana, dia nanatsoaka hevitra ilay ankizivavy fa tsy ilay ankizilahy niarahany no vady niriny.

Natomboka indray ny fampianarana Baiboly azy, ary nanao fandrosoana tsy an-kijanona izy. Tamin’izay fotoana izay, dia nisy tovolahy hafa iray nilaza fa tia azy sy liana tamin’ny fahamarinana. Na dia nianatra aza ilay tovolahy, dia tsy nanao fandrosoana. Notapahin’ilay ankizivavy ny fifandraisana rehetra taminy, satria tapa-kevitra izy fa hanambady olona iray izay hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo miaraka aminy. Natao batisa ilay ankizivavy, herintaona tatỳ aoriana. Nahazo asa tapa-potoana izy, ary nirotsaka tamin’ny asan’ny mpisava lalana nony avy eo. Tsy sorisorena intsony izy, fa manompo amin’ny maha mpisava lalana falifaly ankehitriny. Afaka manampy tanora hafa koa izy, dia tanora izay mihevitra fa hahasambatra azy ireo ny fiarahana amin’izao tontolo izao, tsy misy hafa amin’ny fiheverany taloha mihitsy.

Ahoana no hahitana ireo olona rehetra toy ny ondry eo anivon’ireo mponina maherin’ny 130 000 000 any Pakistan? Nanao ny anjarany ireo rahalahintsika tamin’ny taon-dasa, rehefa nizara tamin-jotom-po zavatra vita an-tsoratra toy ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 tamin’ny teny ourdou sy anglisy. Kanefa, mbola nisy tonga ihany ny fangatahana bokikely Takina sy fampianarana Baiboly, volana maro tatỳ aoriana, na dia avy tany amin’ny tanàna tsy misy Vavolombelona aza. Miharihary fa mandray anjara lehibe amin’ilay asa ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra, voalaza ao amin’ny Apokalypsy 14:6.

Eoropa

Izao no “andro famonjen[’i Jehovah]”. (2 Kor. 6:2). Mbola misokatra ho an’ny olona ny fahafahana hifidy ny fiainana. Iray amin’ireo faritra anaovan’ny olona maro izany safidy feno fahendrena izany i Eoropa Atsinanana ankehitriny. Nanomboka tamin’ny 1993, dia nisy fitomboana maherin’ny 100 isan-jato tany Bosnia-Herzegovina, Boligaria, Estonia, Litoania, Moldavia, ary Ukraine. Maherin’ny 300 isan-jato ny tany Letonia sy Rosia, na dia teo aza ny fitomboan’ny fanoherana avy tamin’ny loharano samihafa. Maherin’ny 500 isan-jato ny tany Biélorussie. Nahazendana ny tany Albania fa 830 isan-jato! Miharihary fa misy olona maro kokoa velom-pankasitrahana noho ny fahafahana hifidy ny fiainana, rehefa nomena ny fampaherezana nilainy izy ireo.

Nitsidika vehivavy iray, izay nilaza foana hoe tsy nanam-potoana, ny Vavolombelona iray any Aotrisy. Tamin’ny fitsidihany nanaraka, dia nasehon’ilay Vavolombelona fotsiny ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao. Mbola tsy afaka niteny akory ilay ramatoa hoe “Tsy manam-potoana aho”, dia efa nomen’ilay Vavolombelona azy ilay taratasy mivalona, ary nanao fanamarihana fohy izy hoe: “Mahakasika ny hoavin’ny fianakavianao izy ity.” Ny zavatra novakin’ilay ramatoa dia nahatonga azy haniry hahafantatra misimisy kokoa. Rehefa niverina ilay Vavolombelona, dia nangatahin’ilay ramatoa ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, izay hitany narantiranty teo ivelan’ny Efitrano Fanjakana iray. Naharay trakta momba ny fianarana Baiboly nalamin’ny eglizy teo an-toerana koa anefa ny fianakaviany, tetsy an-danin’izany. Nankany ilay ramatoa sy ny vadiny. Rehefa nametraka fanontaniana tamin’ny mompera anefa izy mivady, dia novaliany fa tsy tokony hisy afa-tsy fisaintsainana, fa tsy fiaraha-midinika, mandritra io fianarana io. Nahazo valim-panontaniana anefa izy mivady rehefa niverina nitsidika azy ilay Vavolombelona, ary dia natomboka ny fianarana Baiboly. Araka ny nampoizina, dia nipoitra ny fanoherana. Sady mpikarakara ny sakristy tao am-piangonana mantsy ilay rangahy no anisan’ny filan-kevitr’ilay paroasy. Naatony kelikely àry ilay fianarana, noho ny fanerena nahazo azy. Tamin’ny alalan’ny telefaonina sy ny fanaterana gazety tany aminy no nanohizana ny fifandraisana. Rehefa afaka telo volana, dia notohizina indray ilay fianarana. Rehefa nitombo ny fankasitrahan’ilay rangahy an’i Jehovah, dia niala tao amin’ny filan-kevitry ny paroasy izy, ary nitsahatra tsy ho mpikarakara ny sakristy intsony. Vavolombelona vita batisa izy mivady ankehitriny, ary mpitory tsy vita batisa ny zanany.

Nisy Eoropeanina maro nifindra monina nankany Etazonia mba hitady harena. Izany no nataon’i Aleksander, lehilahy iray avy any Letonia. Tsy hitany ho mora anefa ny fiainana tany Etazonia; nanjary sahirana mafy ara-bola kosa aza izy. Tena nahita harena ara-panahy anefa izy. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nahatakatra fa nahita ny fahamarinana, izay sarobidy kokoa noho ny volamena. Efa toetrany mihitsy ny be hafanam-po, ka tsy ela izy dia naniry hizara ny finoany vaovao. Talohan’ny hiaingany nankany Etazonia, dia nisaraka tamin’i Inara vadiny izy, ka nandao sy namela azy hikarakara an’i Kim, zanakalahin’izy ireo. Na dia izany aza, ho vokatry ny taratasy sy antso an-telefaonina maro avy tamin’i Aleksander, vadiny taloha, dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelona i Inara, tany Letonia. Tamin’ny farany, dia natao batisa tany New York i Aleksander, ary natao batisa tany Litoania i Inara. Niverina tany Letonia i Aleksander, dimy taona taorian’ny nialany tany, ka nanambady indray an’ilay vadiny taloha. Faly erỳ i Kim, izay sivy taona tamin’izay.

Nampianarin’i Jesosy mba ho tia, na dia ny fahavalontsika aza, isika. (Matio 5:44, 45). Manova ny lalany koa ny sasany amin’izy ireny, ka afaka mampifaly an’i Jehovah. Hita niharihary izany, rehefa niara-namerina ireo fanontaniana tamin’ny mpilatsaka hatao batisa iray avy any amin’ny tanànan’i Panevėz̆ys, ny loholona iray ao amin’ny Kôngregasiôna Taurage, any Litoania. Nandritra ilay fiaraha-nidinika, dia nilaza ilay mpilatsaka hatao batisa, izay vehivavy efa zokiolona, fa sarotra taminy ny nitafy fahalemem-panahy, noho ny asa nataony nandritra ny taona maro. Mpiambina tao amin’ny fonjan’ny vehivavy tao Panevėz̆ys mantsy izy. Taitra ny fahalianan’ilay loholona. Nanontaniany ilay ramatoa raha efa niasa tao tamin’ireo taona 1960. “Eny”, hoy ilay ramatoa. Ary dia nanadihady àry ilay loholona hoe: “Moa ve ianao nahafantatra vehivavy Vavolombelon’i Jehovah izay nogadraina noho ny fahamarinana tamin’izany fotoana izany?” Nahatadidy Vavolombelona roa na telo ilay ramatoa, ka anisan’izany i Petrute, izay nanampy azy vao haingana hianatra ny fahamarinana. Tadidiny koa ny anabavy iray izay niara-nogadraina tamin’ny zanany vavy kely. Rehefa nandre izany ilay loholona, dia nihetsi-po be nilaza taminy fa ny reniny izay noresahiny izay. Nosamborina ny reniny noho izy nitory, ary nesorina taminy ny zanany rehetra, afa-tsy ilay zazakely, ka napetraka tany amin’ny havany, araka ny didim-pitsarana navoaka. Telo taona ilay loholona tamin’izay fotoana izay. Izao izy dia niara-nandinika ireo fanontaniana momba ny batisa tamin’ilay mpiambina an-dreniny taloha tany am-ponja. Faly erỳ ilay loholona fa nanaiky ny fahamarinana ilay ramatoa!

Na dia nitombo kely fotsiny aza ny tontalin’ny isan’ny Vavolombelona any Failandy tamin’ny taon-dasa, dia faly izy ireo fa nahazo tampon’isa vaovaon’ny mpitory 20 103. Mbola misy olona mikaroka ny fahamarinana ihany ao amin’io tany io. Nanao fandaharana, ohatra, ny mpivady Vavolombelona iray, mba hifankahalalana bebe kokoa amin’ny fianakaviana iray mpiara-monina aminy. Mbola tsy afaka nanatanteraka izany akory anefa izy mivady, dia efa tonga nitsidika azy ilay ramatoa mpiara-monina aminy. Teo am-piresadresahana teo, dia nivadika ho amin’ny zavatra ara-panahy ny resaka, ary nanolotra ny boky Fahalalana tamin’ilay ramatoa ilay anabavintsika.

Rehefa nentin’ilay ramatoa tany an-tranony ilay boky, dia novakin’ny vadiny tao anatin’ny andro vitsivitsy. Ny hanakiana fotsiny anefa no antony namakian’ilay rangahy ilay boky, satria nanana fitsarana an-tendrony momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Kanefa, nanjary naniry hahafantatra misimisy kokoa izy. Tsy ela izy mivady dia nilaza tamin’ireo Vavolombelona fa teo am-pikarohana hatramin’ny ela be ny fivavahana nanana ny fahamarinana, ry zareo. Efa namotopototra ny amin’ny fivavahana maromaro izy mivady. Tsy noheveriny ny Vavolombelon’i Jehovah, satria haratsin’ny olona rehetra. Nieritreritra izy mivady hoe: “Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy no hanana ny fahamarinana, raha tsy manana izany ny fivavahana hafa.”

Natomboka tsy nisy hataka andro ny fampianarana ilay fianakaviana. Hoy ilay mpivady: “Arakaraka ny nianaranay, dia nanjary nisy heviny taminay ny andinin-teny maro fantatray tsara. Tsapanay toy ny hoe nisy zavona nanarona anay nesorina, arakaraka ny nahafantaranay tsikelikely ny fahamarinana. Rehefa nahita sarin’ny Paradisa tao amin’ny boky iray izahay, dia nieritreritra avy hatrany hoe: ‘Ao no tianay honenana!’ ”

Tsy ela izy ireo dia nanomboka namonjy ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Izao no tsaroan’ilay ramatoa: “Nafana be ny fandraisana anay: sarotra tamiko tsotra izao ny nino izany!” Nampiaiky volana an’ilay rangahy ny filaminana sy ny fanajam-potoana. Zavatra hafa no nomarihin’ilay zanany lahy 12 taona: “Tao amin’ny fianakavianay, dia voamariko ny vokatr’ilay fianarana teo amin’i Dada sy i Neny, fa nanjary nahafinaritra kokoa izy mivady, ary nanjary nahafinaritra kokoa sy tsy nihenjana firy ny rivo-piainana tao an-trano.” Niteny tamim-pankasitrahana toy izao ilay rangahy izao: “Nahari-po taminay i Jehovah. Tsy tiany ho ringana izahay, ka notarihiny ho amin’ny fibebahana.” Tao anatin’ny fito volana teo ho eo, dia natao batisa ilay fianakaviana manontolo. — Rom. 2:4; 2 Pet. 3:9.

Nianatra ny fahamarinana ny lehilahy iray any Soisa, fony izy lehiben’ny mpanamboatra milina, tany an-tampon’ny tendrombohitra tany. Tiany be ilay asany, saingy niverina ho mpiasan’ny orinasa nandray karama kely kokoa izy, mba hahafahany hamonjy ireo fivorian’ny kôngregasiôna tsy tapaka, teny amin’ny lohasaha teny ambany. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hahazoany fanampiana hiantsorohany tsara ny asa misy andraikitra nankinina taminy, ary koa ireo andraikiny hafa.

Teo am-pifaranan’ny taona, dia nantsoin’ny tale hankao amin’ny biraony izy, ary nilazany fa tena afa-po tamin’ny asany sy ny toe-tsaina nasehony izy ireo. Nanontany tena fotsiny ilay tale ny amin’ny antony nialan’ilay rahalahy tao am-piasana tamin’ny efatra ora tolakandro, isan’andro. Rehefa namaly ilay rahalahy hoe nanana fifanekena roa hafa tokony hotanterahiny izy, dia gaga ilay tale ka nanontany izay tiany holazaina. “Hitanao”, hoy ilay rahalahy, “rehefa nanambady aho, dia nampanantena ny vadiko fa hikarakara azy sy hanokana fotoana hiarahana aminy. Ankoatra ny asa famelomana ny fianakaviako, dia eo koa ny lafiny ara-panahy, dia ny fifandraisako amin’Andriamanitra, izay mitaky fotoana. Koa tsy maintsy mifandrindra tsara eo amin’ny fiainako andavanandro ireo zavatra telo ireo.” Mbola nanampy teny izy fa ny asany no naka fotoana betsaka kokoa, raha ny marina: adiny sivy niasana, niampy ny fotoana nandehanany nandroso sy niverina nankany amin’ilay orinasa. Takatr’ilay tale ny tiany holazaina, koa nanome toky azy izy fa azony atao ny manohy miala ao am-piasana amin’ny efatra ora tolakandro. Tamin’izany no nahafahan’ilay rahalahy nanao fanambarana tamin’ilay tale. Hararaotiny koa ny fahafahana hiresaka amin’ny mpiara-miasa hafa, izay ny sasany aminy dia mbola tsy nifandray tamin’ny Vavolombelona mihitsy, talohan’izay.

Nandritra ny taona maro, i Fernando dia nanadio varavarankely tao amin’ny toerana niasan’i Carlos, izay Vavolombelon’i Jehovah, any Espaina. Efa nanao resadresaka fohy izy mirahalahy, saingy tsy naneho fahalianana firy tamin’ny fahamarinana i Fernando. Rehefa avy nitsidika ny zaobaviny tany Barcelone anefa i Fernando, dia nanana fanontaniana. Tsikariny fa niova tanteraka ny lehilahy iray mpiara-monina amin’ny zaobaviny, ka tonga vady tsara ankehitriny. Mamo lava sy mpanakorontana ary mpamono vady mantsy io lehilahy io taloha. Nilazana i Fernando fa tonga Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy. Ahoana no netezan’izany fiovana be izany? Nohazavain’i Carlos tamin’i Fernando fa afaka manao fanovana toy izany eo amin’ny olona ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 4:12). Nanjary liana izao i Fernando. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nanao fiovana teo amin’ny fiainany koa izy, ary mpitory ny vaovao tsara izy ankehitriny.

Ireo Nosin’ny Tany

Nosy sy vondronosy 84 no ahitana Vavolombelon’i Jehovah revo mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Any amin’ny nosy sasany, dia niavaka ny fandraisana ny fahamarinana ara-baiboly. Misy Vavolombelona 1 isaky ny mponina 114 any Polinezia frantsay, any Pasifika Atsimo. Misy mponina 410 000 any Goadelopy, any Caraïbes, kanefa noho ny fitorian’ny Vavolombelona amim-pikirizana, dia misy Vavolombelona 1 isaky ny mponina 52 any. Misy Vavolombelona 1 isaky ny mponina 31 any Sainte-Hélène, any Atlantika Atsimo.

Nosy tena kely i La Digue, iray amin’ireo Nosy Seychelles eo amin’ny Oseana Indianina. Tsy misy afa-tsy 2 000 eo ho eo monja ny mponina ao, izany hoe trano 500 eo ho eo. Misy zavatra mampahery anefa mitranga any. Niana-javatra izay nampiova lalina ny fiainany i Freddy, izay teraka sy nihalehibe teo amin’ny nosy Mahé, taorian’ny nifindrany tao La Digue. Notezaina tao amin’ny Fivavahana Katolika izy, ary teo amin’ny faha-18 taonany, dia niditra tao amin’ny sekoly iray fampiofanana ho pretra. Nihevitra izy fa hianatra ny Baiboly rehefa ao, ary nikiry nangataka Baiboly izy, kanefa nilazana kosa mba hianatra lovantsofin’ny eglizy. Diso fanantenana tanteraka izy, ka nandao an’ilay sekoly rehefa afaka herinandro vitsivitsy, mba hitady samirery an’Andriamanitra. Nahazo Baiboly izy, ary niara-nandinika azy io tamin’izay rehetra vonona hanao izany. Tsy nahitsy araka ny nikasany azy anefa ny fomba fiainany. Niaina tao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny fibobohan-toaka izy, ary nanao arts martiaux.

Tatỳ aoriana, rehefa nipetraka tao La Digue izy, dia tafahaona tamin’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia nitarihana fampianarana Baiboly izy, ary natao indroa na intelo isan-kerinandro izany indraindray. Rehefa fantany ny anaran’Andriamanitra, dia tena nihetsi-po tokoa izy, ary hoy izy ny ampitson’iny: “Mahafinaritra erỳ ny mahafantatra izay ivavahan’ny tena, ka tsy miresaka amin’ny olon-tsy fantatra intsony. Nivavaka ny alina manontolo aho sady nampiasa ny anarany, ary sambany aho vao tena nahatsapa fa nihaino ahy Andriamanitra.”

Hoy izy indray andro: “Misy tovolahy iray tena liana izay any. Fantatro fa tsy manam-potoana hiaraha-mianatra aminy ianareo. Angamba afaka miara-mianatra aminy aho satria efa nianatra zavatra maro.” Nampirisika azy handinika ny toerany teo anatrehan’Andriamanitra aloha ilay misionera. Roa andro tatỳ aoriana, dia hoy i Freddy: “Takatro amin’izay fa tsy vitan’ny hoe mahalala ny torohevitra fotsiny ny atao hoe Vavolombelon’i Jehovah, fa mampihatra izany eo amin’ny fiainako koa. Takatro fa tsy tsara toerana hisolo tena an’i Jehovah aho. Ahoana no ahafahako mitory amin’ny hafa, kanefa ny fiainam-pianakaviako aza tsy ara-dalàna akory?” Koa nisara-toerana tamin’ilay vehivavy nanaovany tokantranomaso izy, mandra-pahavitan’ny fanambadiany ho ara-dalàna. Ny volana nanaraka, dia nisoratra izy roa. Rehefa nanao fanitsiana hafa koa i Freddy, dia faly fa nanana tombontsoa nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, rehefa ela ny ela. Vita batisa izy tatỳ aoriana.

Fantatra hoe Gros Mama, na ilay mpanao ody ratsy, i Elsie, vehivavy iray tany Maorisy. Natahoran’ny olona rehetra izy. Nanao fombafomba nifandray tamin’ny asan’ny maizina teny am-pasana izy, ary fantatra ho mpanasitrana nanan-kery lehibe. Ahoana no nianarany ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Tamin’ny alalan’ny fiahiana manokana tamim-paharetana be dia be sy noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory. Rehefa nanomboka nianatra ny zanakavavin’i Elsie, dia tonga nitsidika ny reniny koa ny Vavolombelona iray. Hitan’ilay Vavolombelona fa tsy vitan’ny hoe tafiditra lalina tao amin’ny spiritisma ilay reniny, fa tsy nahay namaky teny sy nanana olana lehibe ara-pianakaviana ary mpifoka be koa. Na izany aza, dia natomboka ny fiaraha-nandinika ny Baiboly, tamin’ny alalan’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Tonga nitsidika azy intelo isan-kerinandro ilay Vavolombelona, ka nampahery azy sy nampirisika azy mafy tsy an-kijanona hoe: “Matokisa an’i Jehovah.”

Tsy nisosa mora akory ny fiovana. Niady mafy mba hitsaharana tsy hifoka izy, ka tamin’izany no tsy maintsy nianarany fa mahita ny zavatra rehetra ataontsika i Jehovah, ary tsy misy azontsika afenina aminy. (Heb. 4:13). Hitan’i Elsie ilay sary ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay mampiseho ireo Kristianina tany am-boalohany nandoro ireo bokiny momba ny fahaizana majika, ary niara-nodinihina taminy ny hevitr’izany. Tsy nampitsahatra avy hatrany ireo fombafomba araka ny demonia anefa izy. (Asa. 19:19). Rehefa avy nandia zavatra nampihoron-koditra anefa izy, dia nalainy avokoa ny zava-drehetra nampiasainy tamin’ny fanompoam-pivavahan-diso, ka nariany tany amin’ny ony.

Avy eo, rehefa tonga tao aminy mba hangataka fanampiana nifandray tamin’ny asan’ny maizina ny olona, dia nohazavain’i Elsie tamin’izy ireo fa tsy nampifaly an’Andriamanitra ny zavatra nataony teo aloha. Nampirisihiny kosa izy ireo hianatra ny Baiboly. Nolazainy tamin’izy ireo fa i Jehovah irery ihany no afaka niaro azy ireo tamin’ny ratsy, ka nampirisihiny izy ireo hitoky tamin’i Jehovah. Na dia maty vao haingana aza i Elsie, dia mpanompon’i Jehovah ankehitriny ny sasany tamin’ireo mpandeha tao aminy taloha.

Tsy azo atao ny mitory isan-trano any amin’ny vohitra rehetra any amin’ireo nosy Wallis sy Futuna, any Pasifika Atsimo, kanefa azo atao ny mamangy havana sy ny manao fanambarana tsy ara-potoana. Nomen’ny mpianatra ny Baiboly iray tany Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 ny namany iray, izay lava volo sady tsy niharatra, ary nalaza ho mamo lava. Matetika izy io no namono ny vady aman-janany. Rehefa maromaro ny fiaraha-nidinika natao taminy, dia nanaiky hanatrika ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna ilay rangahy. Velom-pankasitrahana aoka izany noho izay nianarany izy, hany ka nangataka ny ho any amin’ny Efitrano Fanjakana, miaraka amin’ny vadiny. Tamin’io herinandro io, ny lahateny ampahibemaso dia hoe “Vahoaka Madio Manome Voninahitra An’i Jehovah”. Niaiky volana izy mivady, ka nangataka fianarana Baiboly. Ilay mpianatra ny Baiboly nanasa azy mivady, dia nanao fandaharana mba hankanesan’izy mivady tany an-tranony, ka hihaonany tamin’ny Vavolombelona roa. Rehefa tonga ilay mpivady liana tamin’ny fahamarinana, dia saika tsy fantatra ilay rangahy. Niharatra izy, notapahiny ilay volony lava nirakorako, ary nanao akanjo madio izy. Na ny fomba firesany aza dia niova. Toy ny hoe olom-baovao tanteraka izy. Nanomboka tamin’izay, dia nanatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny kôngregasiôna rehetra izy mivady. Miharihary fa tsy ny hitsara ny hafa akory no asantsika, fa ny hizara ny fahamarinana ara-baiboly amin’izy ireny kosa. Raha tsara ny fony, dia hanampy azy hanao ireo fiovana ilaina eo amin’ny fiainany ny fanahin’i Jehovah.

Kristianina maro any Taïwan no voatery miatrika tena fitsapam-pinoana, raha ny fandevenana sy ny fivavahana amin’ny razana ary ny zavatra mifandray amin’izany no asian-teny. Nitsidika tamim-pitiavana ny rafozan-dahiny narary mafy efa ho faty tany amin’ny hopitaly, i Meihua, anabavy iray vao vita batisa, nandritra ny volana maro. Rehefa maty ilay rafozan-dahiny, dia nanizingizina ny rafozam-baviny fa raha tsy nety nivavaka tamin’ilay rafozan-dahiny i Meihua, dia tsy hanam-piadanana ny fanahin’ilay rafozan-dahiny, ka ho tonga hihelohelo tsy an-kijanona hitsidika ny fianakaviana. Tsy azo nohozongozonina anefa i Meihua, na dia teo aza ny fanerena rehetra. Ta hanery azy handao ny fianakaviana ka hiverina tany amin’ny ray aman-dreniny ny rafozam-baviny. Na dia tsy nanaiky handray anjara amin’ny fivavahana amin’ny maty aza i Meihua, dia nanapa-kevitra fa hangataka amin’ny havany mba hamela azy hanome voninahitra araka ny fombany. Nahagaga fa nanaiky izy ireo! Nanomana vavaka nifanentana tamin’ilay toe-javatra i Meihua. Rehefa tonga ilay fotoana, dia nanolotra vavaka tamim-pahatsorana teo anatrehan’ny fianakaviana manontolo izy, ny ranomasony amin’izany nanorika nanaraka ny tavany. Nangataka tamin’i Jehovah izy mba hanampy ny fianakaviany manontolo hahatakatra fa tsy nijaly intsony ilay rafozan-dahiny, fa nandry feizay. Nanisy firesahana momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fomba handraisan’ny rafozan-dahiny soa avy amin’izany izy. (Asa. 24:15). Nahazendana ny vokany. Manaja azy izao ny rafozam-baviny sy ny vadiny tsy mpino ary ny fianakaviana manontolo, satria hoe vehivavy mahafinaritra sy be herim-po izy. Manohy maneho ny fankasitrahany an’i Jehovah izy, amin’ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana.