Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Grande-Bretagne

Raha mipetraka any amin’ny tany nitoriana ny vaovao tsara efa hatramin’ny taona maro ianao, mbola misy fahafahana hanompo tsara ihany ve any ankehitriny? Nitory tany Grande-Bretagne efa hatramin’ny 118 taona ny Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, dia mbola misy fahafahana maro misokatra ho an’ny Vavolombelona britanika, izay mametraka ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany. Be dia be ny zavatra azo ianarana avy amin’ny toe-tsaina asehon’izy ireo.

Repoblika Tseky

Voarara nandritra ny 46 taona tao amin’ny Repoblika Tseky ankehitriny, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manome fianarana maro, izay mahasoa ny tena Kristianina rehetra, ireo fitsapana ny tsy fivadihan’izy ireo. Nandritra ireny taona maro nisian’ny famoretana ireny, dia nanohy nanohana ny vahoakany teo amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah. Tena mahatalanjona tokoa ireo zavatra ara-panahy nomeny sy ireo fomba nanomezany izany.

Madagasikara

Zavamaniry sy biby maro, izay tsy hita na aiza na aiza eto an-tany, no velona tsara any Madagasikara. Mbola zava-dehibe lavitra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ireo olona liana ta hahafantatra ilay Mpamorona ireny zavatra ireny. Teo amin’io Nosy Mena Lehibe io, dia nitombo ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isan-taona, izay nisy 7 tamin’ny taona 1956, ka tafakatra ho 46 392 tamin’ny taona 1999.