Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Grande-Bretagne

Grande-Bretagne

Grande-Bretagne

Nanenika an’izao tontolo izao ny Empira Britanika, fony izy io teo amin’ny fara tampon’ny heriny. Tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Victoria (1837-1901), dia voalaza fa “tsy nilentika mihitsy ny masoandro” teo amin’ny faritra nofehezin’ilay empira. Nandritra ny taonjato faha-20 anefa, dia nanjary naka ny toeran’io empira lehibe io ny Commonwealth-n’ireo Firenena.

Hatraiza ny fitaran’ny Commonwealth? Tokony ho ny ampahefatry ny tany ny faritaniny, ary tokony ho ny ampahefatry ny mponina eto an-tany no voafaoka ao anatiny. Na dia samy mahaleo tena eo amin’ny lafiny ara-politika aza ireo mpikambana 53 ao amin’ny Commonwealth, dia manaiky ny Mpanjakavavin’i Grande-Bretagne ho ny filoha misolo tena ilay fikambanany ara-kolontsaina sy ara-toe-karena, izy ireo.

Nandritra ireo 50 taona faramparany, dia nanova an’i Grande-Bretagne ny fahatongavan’ny mpiavy avy any amin’ireo tany ireo sy ny tany hafa. Nanjary firenena voaforona olona samy hafa fiaviana i Grande-Bretagne, izay manana mponina 58 tapitrisa eo ho eo.

Firazanana maro samihafa, finoana maro samihafa

Tamin’ny 22 Jona 1948, dia niantsona tao Tilbury, akaikin’i Londres, ny Empire Windrush, izay sambo fitondrana miaramila taloha. Jamaikanina 492 no nidina an-tanety, ka izy ireo no voalohany tamin’ireo mpiavy ampahefa-tapitrisa avy any Caraïbes. Nanaja tamim-pahatsorana ny Baiboly ireny olona falifaly sy narisidrisika avy tany Antilles ireny. Gaga anefa izy ireny nahita fa tsy nanam-pinoana lalina an’Andriamanitra intsony ny ankamaroan’ny Britanika. Inona no nahatonga izany fiovana izany? Leon’ny fitsabahan’ny fivavahana tamin’ny fandripahana tsy nisy antony, nandritra ireo ady lehibe roa, ny olona. Ankoatra izany, dia nampihena be ny finoan’ny olona ny Baiboly ireo mpanao tsikera, izay nilaza fa tsy azo nampiarahina ny siansa sy ny fivavahana.

Nanomboka tamin’ireo taona 1960, dia nisy Karàna sy Pakistaney, ary vao haingana kokoa, dia nisy olona avy tany Bangladesy, nirohotra nanketo Grande-Bretagne. Aziatika maro, izay nipetraka tany Afrika Atsinanana, no nitady fialokalofana teto, tamin’ireo taona 1970. Avy tany amin’ireo firenena ivelan’ny Commonwealth, dia nisy teratany grika sy tiorka avy tany Chypre tonga teto, ary koa Poloney sy Ukrainiens. Taorian’ilay revôlisiôna tany Hongria tamin’ny 1956, dia nisy mpitsoa-ponenana 20 000 nandositra avy tany ka nanketo Grande-Bretagne. Vao haingana kokoa, dia nisy Vietnamianina, Kurdes, Sinoa, Eritreanina, Irakianina, Iranianina, Brezilianina, sy Kolombianina, ankoatra ny hafa, nanorim-ponenana teto. Teo antenatenan’ireo taona 1990, dia mponina 6 isaky ny 100 teto Grande-Bretagne no anisan’ireo vitsy an’isa ara-pirazanana.

Eto Londres, renivohitr’i Grande-Bretagne, no miharihary indrindra izany. Tsy ela ny mpitsidika mandeha eny amin’ny arabe, na mandeha amin’ny aotobisy misy rihana, na mitaingina lamasinina ambanin’ny tany, dia mahamarika an’ilay fifangaroan’ny fizaranana maro samihafan’ireo mponin’ilay tanàna. Efa ho ny ampahefatry ny mponin’i Londres tokoa no avy any ampitan-dranomasina. Ahitana taratr’izany firazanana maro samihafa izany ireo sekoly ankehitriny, izay manolotra ho an’ny ankizy, fampianarana mifanaraka amin’izay fivavahana tiana kokoa, anisan’izany ny fivavahana kristianina sy silamo ary hindoa. Tsy midika akory izany hoe miavaka amin’ny fitiavam-pivavahana i Grande-Bretagne. Mifanohitra amin’izany aza fa, amin’izao fotoana izao, dia manana fomba fijery tsy miraharaha fivavahana sy miahy fatratra ny zavatra ara-nofo ny ankamaroan’ny mponin’i Grande-Bretagne, amin’ny ankapobeny.

Mifanohitra amin’izany ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 126 000 eto Grande-Bretagne. Avy amin’ny firazanana maro samihafa koa izy ireo. Mino mafy an’Andriamanitra anefa izy ireo, ary tsy andriamanitra tsy manana anarana akory izany inoany izany, fa i Jehovah, izay manasa amim-pitiavana ny olona avy amin’ny firenena rehetra mba handeha amin’ny lalany sy handray soa avy amin’ny fampiharana ny torohevitra omeny amim-pitiavana. (Eks. 34:6; Isaia 48:17, 18; Asa. 10:34, 35; Apok. 7:9, 10). Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah ho ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly. Manana finoana lalina ny fandaharam-pamonjena nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izy ireo. Miorina amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny fikasan’Andriamanitra hahatonga ny tany ho Paradisa, ny fanantenan’izy ireo ny amin’ny hoavy. (Gen. 1:28; 2:8, 9; Matio 6:10; Lioka 23:43, NW ). Mitory amin-jotom-po io vaovao tsara io amin’ny hafa izy ireo. Ny fanirian’izy ireo amim-pahatsorana dia ny ‘hanao ny zava-drehetra noho ny vaovao tsara’, mba hahafahan’izy ireo hizara azy io amin’ny hafa. — 1 Kor. 9:23, NW; Matio 24:14.

Ahoana no nanombohan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ity tany ity?

Fizarana ny vaovao tsara tamin’ny hafa

Nandritra ireo roapolo taona farany tamin’ny taonjato faha-19, dia nisahirana mafy tamin’ny fanorenana tanàn-dehibe i Grande-Bretagne. Nirohotra nankany an-tanàn-dehibe ny olona avy tany ambanivohitr’i Angletera sy i Ekosy ary i Pays de Galles. Tonga nanatevin-daharana an’ireo mpanao asa tanana nahazatra, ireo mpiasa tsy nahazo fiofanana manokana sy ireo niofana kely ihany. Taorian’ny taona 1870, ny fitakian’ny lalàna ny handehanana tany an-tsekoly dia nanamarika vanim-potoana iray hahafahan’ny olona maro kokoa hahazo fahalalana mora foana.

Tamin’ny 1881, dia tonga avy tany Etazonian’i Amerika i J. C. Sunderlin sy i J. J. Bender — mpiara-miasa akaiky tamin’i Charles T. Russell, izay nitarika ny asan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany. Nitondra hafatra nanatsara ny fiainan’ny olona an’arivony maro teto Grande-Bretagne, izy mirahalahy ireo. Ny iray nanomboka tatsy Ekosy ary ny faharoa teto Angletera, tamin’ny fizarana ilay zavatra vita an-tsoratra nampihetsi-po hoe Food for Thinking Christians (Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina). Nandray iray tamin’izy io i Tom Hart, mpampivily lalamby, fony izy nody avy niasa, indray maraina be izay, teto Londres. Nanaitra ny fahalianany ny zavatra novakiny, ka nitarika ho amin’ny fiaraha-midinika maro momba ny fiverenan’i Kristy. Natosik’izay nianarany i Tom, ka nizara tamin-kafanam-po tamin’ny vadiny sy ireo mpiara-miasa taminy, an’ilay fahalalana vao azony. Tsy ela io antokon’olom-bitsy io, izay nanjary fantatra hoe Mpianatra ny Baiboly, dia nanomboka nizara taratasy mivalona tamin’ireo mpandalo teny amin’ny manodidina. Nisy antokon’olona toy izany koa niforona tany amin’ny tanàna hafa nanerana an’i Grande-Bretagne. Samy dodona ny hampiely ireo fahamarinana ara-baiboly izy rehetra.

Tamin’ny 1891, dia ny tenan’i C. T. Russell mihitsy no nanao ny fitsidihany voalohany an’i Grande-Bretagne. Nisy olona tokony ho 150 teto Londres ary olona nitovy isa tamin’izany tao Liverpool, natosiky ny fahalianana tamin’ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly, ka tonga nihaino lahateny iray momba ilay foto-kevitra hoe “Mivoaha avy ao Aminy Ianareo, ry Oloko”, izany hoe mivoaha avy ao amin’ireo fivavahana ahitana soritr’i Babylona fahiny. (Apok. 18:4, King James Version). “Saha vonona sady miandry fijinjana i Angletera sy i Irlandy ary i Ekosy”, hoy ny tatitra nataon’ny Rahalahy Russell. Hita ho nitondra vokatra ilay asa fizarana ny vaovao tsara tamin’ny hafa, ary teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia nisy kôngregasiôna kristianina kely folo niforona. Nanorina birao iray teto Londres ny Fikambanana Watch Tower, mba ho mora kokoa ho an’ireo kôngregasiôna ny fahazoana sakafo ara-panahy, tao amin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly.

Biraon’ny sampana voalohany

Tamin’ny 1900, dia tonga tao an-tseranan’i Liverpool, any avaratrandrefana, i E. C. Henninges, izay mpiara-miasa akaiky tamin’i C. T. Russell koa. Nanketo Londres izy mba hitady trano hohofana hatao fanatobiana zavatra vita an-tsoratra. Nahita trano iray tao amin’ny 131 Gipsy Lane, Forest Gate, ao amin’ny faritra atsinanana, izy, ny 23 Aprily. Tao ny biraon’ny sampana voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society no nanomboka niasa. Ankehitriny, 100 taona atỳ aoriana, dia misy maherin’ny 100 ny biraon’ny sampana toy izany, any amin’ny toerana lehibe, maneran-tany.

Tamin’ny 30 Jona 1914, dia niforona teto Londres ny masoivoho ara-dalàna vaovao iray ho an’ny fandaminan’i Jehovah eto Grande-Bretagne, dia ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly. Niandraikitra ny asan’ilay Fanjakana nanerana an’ireo Nosy Britanika, anisan’izany i Irlandy, ny sampan’i Grande-Bretagne, tamin’izany fotoana izany. Nanomboka tamin’ny 1966 anefa, i Irlandy manontolo dia teo ambany fiandraiketan’ny sampana mitokana iray tao Dublin aloha, ary ao atsimon’i Dublin ankehitriny.

Fifindrana nankany ivelany

Tsy ny saha teto Grande-Bretagne ihany no nahaliana ireo rahalahy britanika. Fantatr’izy ireo mantsy fa nambaran’i Jesosy Kristy mialoha ny amin’ny hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny tany onenana manontolo, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14). Nandritra ireo taona 1920 sy teo am-piandohan’ireo taona 1930, dia rahalahy maro avy teto Grande-Bretagne no niezaka nanitatra ny saha fitoriany, rehefa nirotsaka tamin’ny asa misionera tany an-tany hafa izy ireo. Fifindrana goavana izany, ary nitahy ny toe-tsain’izy ireo feno fahafoizan-tena i Jehovah.

Tamin’ny 1926, dia nandao an’i Sheffield, any amin’ny faritra avaratr’i Angletera, i Edwin Skinner, mba hanompo tany Inde. Nanampy azy mba haharitra tamin’io asa nanendrena azy io, nandritra ny 64 taona, ny fanetren-tenany, mandra-pahafatiny tamin’ny 1990. Tsy hay hadinoina sady be fitiavana i William Dey, avy atsy Ekosy. Inspekteran’ny hetra sady tena nanankarena izy, nefa nafoiny ny toerany sy ny vola horaisiny amin’ny fisotroan-dronono, mba hahatongavana ho mpiandraikitra ny sampana tao amin’ny Biraon’i Eoropa Avaratra vao naorin’ny Fikambanana tao Copenhague, any Danemark. Tsy ela taorian’izay, dia nanaiky ny fanasan’ny Rahalahy Dey i Fred Gabler ka nankany Litoania, ary tonga nanaraka azy tany i Percy Dunham, izay nandeha nanompo tany Letonia tatỳ aoriana. Nanjary niandraikitra ny asa tany Estonia i Wallace Baxter. Nanokatra ny asa tany Azia i Claude Goodman, i Ron Tippin, i Randall Hopley, i Gerald Garrard, i Clarence Taylor, sy ny maro hafa koa avy teto Grande-Bretagne. Nanompo nandritra ny taona maro tany Afrika Atsimo ny rahalahy ekosey iray hafa, dia i George Phillips. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Afrika Atsinanana sy Atsimo i Robert sy i George Nisbet, izay avy atsy Ekosy koa.

Nanampy tetsy amin’ny Kôntinantan’i Eoropa ireo be herim-po

Tamin’ireo taona 1930, dia nisy mpisava lalana britanika maro namaly antso mba hanampy tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara tany Belzika, Frantsa, Espaina, sy Portogaly. Anisan’izy ireny i John sy i Eric Cooke.

Tsaroan’i Arthur sy i Annie Cregeen ny asany tany amin’ny toerana tsy nisy kôngregasiôna, tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Nandeha nanampy rahalahy poloney, izay naneho zotom-po lehibe sy fahaiza-mandray vahiny, izy ireo. Tsaroan’i Annie ny fotoana nanasan’izy mivady an’ireo rahalahy, ho ao amin’ilay toerana nilasiany tao amin’ny Le Grand Hôtel de l’Europe, tao amin’ny tanànan’i Albi. “Angamba fatratra ilay trano tamin’ny andron’i Napoléon”, hoy ny nosoratany tatỳ aoriana, saingy efa lefy ny voninahiny. Hoy izy nanohy ny teniny: “Tonga ny alahady tolakandro ry zareo, ary nanao fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nahavariana be izahay. Avy tamin’ny firenena dimy samy hafa izahay, samy nanana ny gazetiny tamin’ny fiteniny, ary fiteny ‘pidgin frantsay’ no nifampiresahanay. Nifandimby namaky fehintsoratra tao amin’ny gazetinay avy izahay, ary nanazava ny zavatra novakinay tamin’ny teny frantsay kely mba hainay. Tena nahafinaritra anay rehetra anefa ilay fiarahana!”

Nampalahelo fa tsy naharitra ela ny fotoana nahafinaritra toy izany izay nanompoana tany an-tany hafa. Nijanona ela araka izay azony natao i John Cooke, izay tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa tamin’izany fotoana izany. Nandeha bisikileta niala tany Frantsa izy tamin’ny farany, ary nalefa nanketo Angletera, taloha kelin’ny nahatongavan’ny tanky alemà. Nitarika ho amin’ny fifandonana teo amin’i Grande-Bretagne sy i Alemaina ny fipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1 Septambra 1939, ka nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Grande-Bretagne sy tany an-toeran-kafa izany.

Raha mbola tafalentika tao anatin’ny ady nifamelezany araka izay fara heriny ireo firenena, dia nitana mafy ny fialanalanana kristianina kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Takatr’izy ireo mazava tsara fa tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny fankatoavana an’Andriamanitra. (Asa. 5:29). Nivavaka tamim-pahatsorana mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ary nahafantatra izay nolazain’i Jesosy Kristy momba ny hoe iza no mpanapaka izao tontolo izao. Noho izany, dia nino mafy izy ireo fa tsy hety ny hombany ny andaniny na ny ankilany, tamin’ireo ankolafiny samy hafa nifandona naneran-tany. (Matio 6:10; Jaona 14:30; 17:14). Narahin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay lazain’ny Baiboly momba ny ‘tsy hianarana ady intsony’. (Isaia 2:2-4). Tamin’ny voalohany, dia navela tsy hanao raharaha miaramila ny sasany tamin’izy ireo teto Grande-Bretagne, satria hoe olona nanda tsy hiady noho ny feon’ny fieritreretany. Tatỳ aoriana anefa, dia samy nilaza ny mpitsara sy ny fampitam-baovao fa nisy olona tonga Vavolombelona mba tsy hidirana tao amin’ny tafika. Vokatr’izany, dia nisy 4 300 teo ho eo naiditra am-ponja. Nisy anabavy maro tsy nety nanao asa nanohanana ny ady koa, anisan’izy ireo. Taorian’ilay ady anefa, dia nanohy nampiseho ny Vavolombelona fa ny faniriana hampifaly an’Andriamanitra sy hanambara ilay Fanjakany ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona, no nanosika azy ireo. (Ahitana tsipiriany bebe kokoa mahakasika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Grande-Bretagne, nandritra ireny taona tany am-boalohany ireny, ao amin’ny Diary 1973 [frantsay].)

Fivoriamben’ny distrika iray tamin’ny fiteny roa teto Angletera

Zava-nisongadina teo amin’ny fiainan’ny vahoakan’i Jehovah ireo fivoriamben’ny distrika, hatramin’ny taona maro. Indray mandeha, dia nampitaina tamin’ny alalan’ny radio nankany amin’ny tany hafa maro, ireo lahateny fototra nataon’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, tao amin’ny fivoriamben’ny distrika iray teto Londres. Nisy solontena avy tany amin’ny tany hafa maherin’ny 50 tonga nanatrika fivoriamben’ny distrika teto Londres, nandritra ireo taona 1950 sy 1960. Natao tamin’ny fiteny anglisy anefa ny fandaharana manontolo. Niova izany tamin’ny taona 1971.

Nandeha tsara ny fanomanana ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Anaran’Andriamanitra” hatao tao Twickenham, eto Londres, tamin’io taona io. Niomana hanatrika fivoriambe nitovy foto-kevitra tamin’izany ireo Vavolombelona tatsy Eoropa. Na dia mbola voarara aza ny asan’ilay Fanjakana tany Portogaly, dia nisy an’arivony maro tany niomana hamakivaky an’i Espaina tamin’ny diany nankany Toulouse, any Frantsa. Tsindrian-daona erỳ izy ireo. Avy eo dia tonga ny vaovao hoe nirongatra tampoka ny kôlerà tany Espaina. Ireo izay vita vaksiny fanefitra tamin’ny kôlerà ihany no nahazo namakivaky io tany io. Tsy ampy anefa ny vaksiny teo am-pelatanana mba homena ireo rehetra avy tany Portogaly naniry hanatrika ilay fivoriamben’ny distrika. Rehefa nahitana olona iray nahiahina ho voan’ny kôlerà tao Toulouse mihitsy, dia namoaka didy hentitra nanafoana ny fidirana tany Frantsa ny manam-pahefana. Inona àry izao no hataon’ireo rahalahy portogey? Hoy ny rahalahy iray: “Na ahoana na ahoana, dia eo foana i Londres.”

Nahatsiaro izay nitranga i W. J. (Bill) Bull, mpiandraikitra ny fivoriambe tao Twickenham, rahalahy iray malaza ho tony sy sariaka. “Nisy 800 ka hatramin’ny 900 teo ho eo nizotra nanketo Grande-Bretagne, ka ny 112 tonga tamin’ny fiaramanidina, ary ny sisa nandeha aotobisy. Tsy ampy herinandro ny fotoana niomananay handraisana ireo rahalahy portogey nirohotra maro ireo. Nankany Douvres ireo rahalahy mba hitsena ireo solontena portogey tonga tamin’ny baka, izay tsy nahay teny anglisy firy, na tsy nahay mihitsy, ny ankamaroany.” Nahitana filasiana izy rehetra, ka tao an-tokantranon’ireo rahalahy teto Londres ny ankamaroany. Novana ho toerana sahaza ho an’ny fotoam-pivoriana tamin’ny fiteny portogey, ny iray tamin’ireo trano lay lehibe fialana hetaheta. Faly ireo Portogey niaraka tamin’ireo rahalahiny britanika mba hijery ireo fampisehoana tantara hoe Mitahy Ireo Tsy Mivadika i Jehovah sy hoe Ataovy Fomba Fiainanao ny Fikasan’i Jehovah, ary koa mba hihaino tapany hafa tamin’ilay fandaharana. Nitatitra toy izao ny Middlesex Chronicle, gazety iray teto an-toerana, tamin’ny 13 Aogositra 1971: “Noho ny fahatongavan’izy ireo, dia io no fivoriamben’ny distrika voalohany tamin’ny fiteny roa, tamin’izay nataon’ny Vavolombelona teto amin’ity tany ity.”

Nanao tatitra nahafaly tokoa momba ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana tany amin’ny taniny ireo rahalahy portogey, ary avy eo dia nandray ny fitenenana ny rahalahy iray niandraikitra ny asa tany Portogaly, mba hisaorana ireo rahalahy britanika noho ny fahaizan’izy ireo nandray vahiny. “Nanome zavatra be dia be ho anay ianareo”, hoy izy, “dia ny fotoananareo, ny tranonareo, ny fiheveranareo, ny hatsaram-panahinareo, ny fikarakaranareo tamim-pitiavana teto amin’ity tanàna goavana ity, ary indrindra fa ny fitiavanareo. Matokia, ry rahalahy, fa ho fahatsiarovana faran’izay maminay foana i Londres.” Rehefa naneho ny fisaorany tamin’ny alalan’ny hira ireo rahalahy portogey, dia saika latsa-dranomaso avokoa ny mpanatrika rehetra, izay nihetsi-po aoka izany noho ireo fanehoam-pankasitrahana tamim-pahatsorana.

Fampifankahalalana azy ireo tamin’ny fianakaviana be fitiavan’i Jehovah

Tsy nandritra ny fivoriamben’ny distrika ihany no nila fiheverana ny olona izay tsy fitenin-drazany ny teny anglisy. Nitombo ny mpiavy tonga teto Grande-Bretagne. Nampipoitra zava-tsarotra izany, nifandray tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Inona àry no azo natao?

Dodona ny hanampy an’ireo olona avy tany amin’ny firenen-kafa sy nampiasa fiteny hafa, ireo mpitory niteny anglisy. Isaky ny azo natao, dia niezaka nanolotra zavatra hovakin’ilay tompon-trano tamin’ny fiteniny, ny Vavolombelona. Zava-nanahirana anefa ny fifampiresahana. Kanefa, nisy Vavolombelon’i Jehovah ny sasany tamin’ireo tonga avy tany ivelany, ka izany dia nanampy mba hifandraisana tamin’ireo vahiny.

Tamin’ireo taona 1960, dia nizara ny fahamarinana tamin’ny hafa izay niteny grika teto Angletera, ny Vavolombelona niteny grika avy tany Chypre. Ny Vavolombelona italianina kosa nizara ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny mpiray tanindrazana taminy, izay nifindra nanketo Londres.

Tonga teto Angletera ny Vavolombelona alemà tanora iray antsoina hoe Franziska, tamin’ny lohataonan’ny 1968, mba hanao ny asan’ny au pair, izay iantsoana ny ankizivavy manao asa an-trano, ho takalon’ny fahazoana efitrano sy sakafo ary ny fahafahana hianatra ny fitenin’ilay fianakaviana mampiasa azy. Rehefa avy nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra” tamin’io taona io izy, dia nanitatra tamin-kafanam-po ny fanompoany teny amin’ny saha, ka nanolotra ilay boky vao navoaka hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ireo ankizivavy au pair hafa nipetraka teny akaiky. Nanomboka fampianarana Baiboly efatra izy, ho vokatr’izany. Ankizivavy iray avy any Soisa, izay niara-nianatra tamin’i Franziska tamin’ny fiteny alemà, ny iray tamin’ireo olona nianatra ireo. Rehefa nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kôngregasiôna ilay ankizivavy, dia ny tenany mihitsy no afaka nahita ny fitiavana tao amin’ny ankohonan’i Jehovah. (Jaona 13:35). Ny taona nanaraka, dia nanao fandrosoana tsara dia tsara io ankizivavy liana io, hany ka nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ary natao batisa. Tonga mpisava lalana izy tatỳ aoriana, ary nanampy ny reniny hanaiky ny fahamarinana mihitsy aza. Vao fanombohan’ny ezaka nataon’i Franziska mba hitoriana tamin’ny ankizivavy au pair anefa izany.

“Isaky ny mitory isan-trano aho ka tojo ankizivavy au pair”, hoy ny fitantaran’i Franziska tamin-kafanam-po, “dia lazaiko aminy fa au pair koa aho taloha. Avy hatrany dia manana marimaritra iraisana izahay. Antitranteriko foana ny hoe fony aho tonga teto Angletera, dia tsy nahafantatra na iza na iza aho, afa-tsy rahavavy iray monja. Nataon’ny kôngregasiôna anefa izay hahatsiarovako tena ho noraisina an-tanan-droa. Koa miezaka foana aho ny hampifandray azy ireo haingana amin’ny kôngregasiôna, mba hahafahan’izy ireo hahita fa fianakaviana lehibe iray isika.”

Nanambady an’i Philip Harris i Franziska tamin’ny 1974, ary miara-manompo ato amin’ny Betelan’i Londres sy ao amin’ny Kôngregasiôna Northwood izy mivady ankehitriny. Nitsidika trano iray tao amin’io faritany io efa hatramin’ny 13 taona mahery i Franziska. Hoy ny fanazavany: “Naharay taratasy iray ny Betela, avy tamin’ny ankizivavy au pair frantsay iray, izay nangataka ny hotsidihin’ny Vavolombelona. Nanome azy ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany ny Vavolombelona tany Frantsa, ary naniry hahafantatra misimisy kokoa izy. Na dia mbola voafetra ihany aza ny teny anglisy hainy, dia hitako fa nangetaheta ny fahamarinana i Nathalie. Nanao fandrosoana tsara izy, ary tsy ela dia nanatrika fivoriana.” Talohan’ny niverenany tany Frantsa, dia tonga mpitory ilay Fanjakana i Nathalie, ary mpisava lalana ao amin’ny saha arabo any, izy sy ny vadiny ankehitriny.

Nanana fomba fiasa ilay fianakaviana nampiasa ireny ankizivavy au pair ireny. Talohan’ny handehanan’ny ankizivavy au pair iray, dia efa tonga ny hisolo azy. Nandritra ny andro vitsivitsy, dia nampianatra an’ilay mpiasa vaovao momba ireo asa tokony hatao tao an-trano ilay taloha. Rehefa nadiva handeha i Nathalie, dia notoroan’i Franziska hevitra hoe: “Alohan’ny hiverenanao any Frantsa, dia lazao amin’ilay ankizivavy au pair manaraka fa tena nanampy anao ny fianarana Baiboly, ary jereo raha liana izy.” I Isabelle ilay ankizivavy au pair nanaraka; avy any Frantsa koa izy, ary, eny, liana izy. Niara-nianatra ny Baiboly taminy koa i Franziska. Nisy Nathalie hafa iray koa nandimby an’i Isabelle, ary tsy ela dia nanomboka nanatrika fivoriana koa i Nathalie. Rehefa niverina nankany Frantsa izy, dia natao batisa koa.

Avy any Polonina ny ankizivavy hafa iray, dia i Gabriela. Mbola tsy tena nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy, ary nilaza tamin’i Franziska izy fa tsy tiany ny Alemà, satria ratsy laza tany Polonina. Nohazavain’i Franziska fa tsy nandray anjara na oviana na oviana tamin’ny ady ny Vavolombelon’i Jehovah. “Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy ho nahita Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tafika na oviana na oviana ianao”, hoy ny fanjohian-keviny. “Fantatrao ve fa nenjehina izahay? Natao tany amin’ny toby fitanana izahay, satria tsy nety nanao hoe ‘Heil Hitler!’, sady tsy nety nanohana ny fitondrana nazia.” Gaga i Gabriela, ary tsy ela dia nanjavona ny fankahalany ny Alemà. Tonga mpitory tsy vita batisa izy, rehefa avy niara-nianatra ny Baiboly tsy tapaka tamin’i Franziska, ary nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah izy, tatỳ aoriana, tao amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tao Twickenham. Nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny ankizivavy au pair 25 avy tany amin’ny tany folo i Franziska, ary faly nampifankahalala azy ireo tamin’ny fianakaviana be fitiavan’i Jehovah, tao anatin’ireo taona maro lasa.

Fivoriana tamin’ny fitenin’izy ireo

Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no afaka nanao fandrosoana haingana tao amin’ny fahamarinana, rehefa nianatra ny Baiboly tamin’ny fiteny anglisy na rehefa nanatrika fivoriana tamin’ny fiteny nety ho vahiny taminy. Inona àry no azo natao?

Rehefa nanomboka nahita olona liana teo anivon’ireo mpiray tanindrazana taminy teto Angletera ny Vavolombelona niteny grika avy any Chypre, dia nisy fandaharana natao teto Londres mba hanaovana fivoriana sasany tamin’ny fiteny grika. Tamin’ny 1966, dia nanomboka nandray soa avy tamin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna tsy tapaka tamin’ny fiteniny izy ireo; avy eo dia nasiana lahateny ampahibemaso isam-bolana. Tamin’ny 1967, dia niforona ny kôngregasiôna grika voalohany teto Londres, ary nisy groupe grika hafa iray nanomboka nanao fivoriana tao Birmingham.

Ny Italianina kosa nanomboka tamin’ny lahateny ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Islington eto Londres, tamin’ny 1967. Narahina fivoriana maro kokoa tamin’ny fiteny italianina tany an-toeran-kafa izany. Indro misy ohatra iray ny amin’ny fomba nizoran’ny toe-javatra: Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny vehivavy italianina iray tao Enfield, any amin’ny faritra avaratr’i Londres, i Vera (Vee) Young. Rehefa nitombo ny fankasitrahan’ilay ramatoa, dia hoy izy: “Mampalahelo fa tsy mba misy fivoriana amin’ny fiteny italianina ho an’ny namako sasany.” Nandrisika an’i Geoff, vadin’i Vee, hiresaka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray, izany. Niara-nitady izy mirahalahy, ka nahita rahalahy iray niteny grika, izay mpisava lalana tany Italia taloha. “Nanao ilay lahateny tamin’ny fiteny anglisy aho”, hoy ny fitantaran’i Geoff, “ary nandika ilay izy tamin’ny fiteny italianina ilay rahalahy grika.” Tokony ho 30 ny olona nanatrika, ary nanao fandrosoana ara-panahy tsara ny sasany tamin’izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia vonona mba hahaforona kôngregasiôna iray ireo Vavolombelona niteny italianina. Nanomboka tamin’izay, dia nisy kôngregasiôna italianina vaovao iray niforona, tamin’ny antsalany, isaky ny dimy taona.

Nitohy ny fitomboana teo amin’ny saha grika. Tamin’ny 1975, dia nisy fandaharana natao mba hahazoan’izy ireo fivoriambe. Mpisava lalana nananika ny faha-50 taonany i Geoff sy i Vee Young, tamin’izany fotoana izany. Efa lehibe ireo zanany roa, ary samy efa nanambady ‘tao amin’ny Tompo’. (1 Kor. 7:39). Koa satria tsy nanana ray aman-dreny be taona hokarakaraina intsony i Geoff sy i Vee, dia tsara toerana mba hanaiky tombontsoam-panompoana hafa izy mivady. Gaga i Geoff naharay fanendrena handamina fivoriambe iray ho an’ireo rahalahy rehetra niteny grika teto Grande-Bretagne. “Tsy fantatro izay tokony hampoizina”, hoy ny tsaroan’i Geoff. “Rehefa tonga tao amin’ilay toerana hanaovana ilay fivoriambe aho, dia toa ady an-trano no nitranga tao, ho an’ny masoko mbola tsy zatra!” Angamba ilay izy fomba fijerin’ny Anglisy iray nanana ny efa nahazatra azy fotsiny, teo am-pahitana Grika naresaka be. Nifanazava fotsiny ny amin’ny fomba tsara indrindra hanaovana ilay asa ireo rahalahy grika. Maherin’ny 400 no nanatrika io fivoriambe io.

Nisy groupes tamin’ny fiteny hafa koa niforona. Tamin’ny 1975, dia nisy kôngregasiôna espaniola iray nanomboka niasa. Natao tamin’ny 1977 ny lahateny ampahibemaso voalohany tamin’ny fiteny goujrati, teto Londres. Roa taona tatỳ aoriana, dia natao ny fivoriambe kely iray tamin’ny fiteny goujrati. Tokony ho tamin’izay fotoana izay koa no nanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany iray tamin’ny fiteny pendjabi, ka 250 teo ho eo ny isan’ny mpanatrika.

‘Antokon’olona mahafinaritra’

Nandritra ireo taona tany am-boalohany, dia matetika no natao teto Londres ireo fivoriambe lehibe kokoa. Tamin’ireo taona 1960, dia natao tany amin’ny tanàna lehibe na kely kokoa nanerana an’i Grande-Bretagne ny fivoriambe fanao isan-taona. Indraindray ireo fivoriambe dia efatra monja; tamin’ny taona hafa kosa, dia toerana kely kokoa no nampiasaina, ka tafakatra ho 17 ny isan’ireo fivoriambe. Nisy kianja fanaovana baolina kitra sy efitrano malalaka ary trano iray misy toerana fikorisana eo ambony ranomandry, nohofana. Tamin’ny 1975, dia natao ny ezaka mba hanaovana fivoriamben’ny distrika iray tao amin’ny Cardiff Arms Park, atsy Pays de Galles.

Fantatra saika manerana an’i Grande-Bretagne ny laza tsara dia tsaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, amin’ny voalohany ireo tompon’andraikitra amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena mbola tsy nahita mivantana fivoriana lehibe nataon’ny Vavolombelona, dia mety hiahotra ny hampanofa ireny toerana ireny aminy. Izany no nitranga, raha ny amin’ny Cardiff Arms Park. Natomboka ny fifampiraharahana tamin’ny Filan-kevitry ny Fikambanan’ny Mpanao Rigby tatsy Pays de Galles. I Lord Wakefield no mpitari-draharahan’ny Fikambanan’ny Mpanao Rigby nanerana an’i Grande-Bretagne, tamin’izany fotoana izany. Efa nilaza tamin-katsaram-panahy tamin’ireo rahalahintsika izy, fa raha nahita fahasahiranana izy ireo tamin’ny fifampiraharahany tamin’ilay filan-kevitra tany Cardiff, dia tokony hasain’izy ireo hiantso azy an-telefaonina ilay filan-kevitra. Tena velom-pankasitrahana noho izany fanampiana izany ireo rahalahy! Rehefa nitady tsy hahomby ilay fifampiraharahana, dia nandravona ilay fiziriziriana ny fiantsoana an-telefaonina an’i Lord Wakefield. Efa nanao fivoriamben’ny distrika tao Twickenham, eto Londres, ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1955. Koa nohazavain’i Lord Wakefield tamin’ireo mpiara-miasa taminy tatsy Pays de Galles, fa tena nankasitrahan’ny tenany sy ny filan-keviny ny nampiasan’ny Vavolombelona ny kianja tao Twickenham, isaky ny fahavaratra. Nanome toky azy ireo izy fa tsy nisy tokony hanahian’izy ireo, ary hoy koa izy: “Antokon’olona tena mahafinaritra ny Vavolombelona!” Novitaina haingana ny fifanarahana iray, ary nampiasa ny Cardiff Arms Park ho toerana fanaovana fivoriamben’ny distrika tsy tapaka tatsy Pays de Galles, ny Vavolombelona, hatramin’ny taona maro.

Efitrano Fivoriambe anay manokana

Ankoatra ireo fivoriamben’ny distrika fanao isan-taona, dia misy koa fivoriambe kely kokoa ataonay ao anatin’ny taona. Tamin’ny 1969, dia nisy 55 876 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Grande-Bretagne, kanefa nitombo ho 65 348 ny isan’ireo nizara ny vaovao tsara tamin’ny hafa, tao anatin’ny efa-taona. Talohan’izay, dia nanofa efitrano izahay mba hanaovana ireo fivoriamben’ny fizaran-taninay, kanefa nihasarotra ny nahita toerana sahaza, tamin’ny hofany mirary.

Tamin’ireo taona 1970, dia niharihary fa nila efitrano fivoriambe anay manokana izahay. Nivory ireo rahalahy tompon’andraikitra, ary natomboka ny fikarohana toerana sahaza. Nanao fandaharana ny hanavao trano efa nisy izy ireo, tamin’ny voalohany. Teo am-piandohan’ny taona 1975, dia nataon’izy ireo ny fifampiraharahana mba hividianana sinema iray efa tsy niasa intsony tao Manchester, any avaratra. Taorian’ny volana maromaro nanavaozana ilay trano, dia notokanana ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany teto Angletera, tamin’ny 31 Aogositra. Vonona ara-potoana tsara izy io mba hanaovana ny fandaharana vaovaon’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, nanomboka tamin’ny Septambra.

Roa taona talohan’izay, tany amin’ny faritra atsimoatsinanana, dia nivory ireo mpiandraikitra ny fivoriambe mba handinika ny fomba mety hahazoan’izy ireo trano teto Londres. Anisan’ilay komity voatendry hitady trano sahaza, i Denis Cave. Tsaroany ny fahatairany, rehefa niombon-kevitra avokoa ireo rahalahy tafavory teo fa tsy hitady trano iray monja, fa roa — ny iray tany avaratry ny Renirano Tamise ary ny faharoa teny atsimony — na dia teo aza ny halafon’ny trano teo amin’ilay faritra!

Toa ho tsara hovidina ny sinema iray efa tsy niasa intsony tao amin’ny tanànan’i Dorking, 30 kilaometatra any atsimon’i Londres. Niditra an-tsehatra anefa ny mpijirika trano sy tany, ka nanolotra vidiny ambony ho an’ilay trano. Kivy i Denis tamin’ny voalohany, kanefa gaga izy rehefa niantso azy an-telefaonina ny ben’ny tanàna, ka nangataka azy sy ny Vavolombelona hafa iray hanatrika fivoriana iray. Hanesotra ireo fameperana mahakasika ny fanajariana tanàna ireo manam-pahefana, mba hahafahana hampiasa ilay trano ho amin’ny fanompoam-pivavahana. Ankoatra izany, dia nanaiky ny hividy ilay sinema izy ireo, ary avy eo dia nanao fanekena ny hampanofa azy io tamin’ireo rahalahy, ka azo nohavaozina isaky ny telo taona ilay fanekena.

Niasa tsara nandritra ny folo taona mahery ilay trano, mandra-pilazan’ny manam-pahefana tao an-tanàna fa nanapa-kevitra ny hampiasa azy io ho amin-javatra hafa izy ireo. Nahazo toerana iray nirefy 11 hektara, tsy lavitra ny Seranam-piaramanidina Gatwick, eto Londres, ireo rahalahy, ho solon’io trano io. Nisy trano maromaro azo natambatra ho Efitrano Fivoriambe tsara tarehy teo amin’ilay toerana. Nipoitra ny adihevitra teo an-toerana, nahakasika ny fomba fidirana tamina lalana tery tao amin’ilay trano vaovao. Tsy mahagaga raha nirin’ireo olona nipetraka teny akaiky ny tsy hanelingelenana mihitsy, araka izay azo natao, ny fiainany manokana. Moa ve ny Vavolombelona hanaja ireo toromarika momba ny fanarahana amim-pitandremana ny lalana sy ny hafainganam-pandeha efa voatondro, rehefa mankao amin’ilay Efitrano Fivoriambe izy ireo? Hoy ny tatitry ny fivorian’ny Komitin’ny Fanajariana Tanàna teo an-toerana, navoaka tao amin’ny fampitam-baovao: “Raha ny ara-dalàna, araka ny hevitr’ilay komity, dia tsy ho vita ny hampihatra izany fepetra izany. Hafa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah.” Hoy ny teny nanampin’ny mpitari-draharahan’ilay Komity: “Ho tian’ny antokon’olona na ny fikambanana hafa maro ny hilaza hoe hanaraka izany fepetra izany ireo mpikambana ao aminy. Efa fomba fiasa mihitsy anefa izany ho an’io fikambanana io.” Nisokatra io Efitrano Fivoriamben’i Surrey vaovao ao Hays Bridge io, tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray natao ny 17 sy 18 May 1986, herintaona katroka taorian’ny nahazoana ilay toerana.

Niara-natao tamin’ny 1975 ny fikarakarana ny Efitrano Fivoriamben’i Dorking sy ny fanavaozan’ny Vavolombelona tao amin’ny faritra avaratr’i Londres ny Sinema Ritz teo aloha tao New Southgate. Naorina teo antenatenan’ireo taona 1930 io sinema io, ary nikatona tamin’ny lohataonan’ny 1974. Natao synagoga nandritra ny fotoana kelikely izy io. Rehefa azon’ny Vavolombelona izy io, dia nila “fanamboarana maika” ilay trano, hoy i Roger Dixon, mpanao mari-trano. “Mafy ilay trano, raha ny marina, saingy tantera-drano”, hoy ny tsaroany. “Mba hanafenana ny fahasimbany, dia nolokoana mainty ny atin’ny efitrano malalaka!” Hita ho nahakivy ny nanavao azy io, tamin’ny voalohany. Na izany aza, dia mpiasa an-tsitrapo nahazo fiofanana manokana sy niofana kely ihany niisa 2 000 teo ho eo no namita ilay asa, tao anatin’ny efa-bolana sy tapany monja.

Nokarakaraina koa ny Efitrano Fivoriambe iray tany West Midlands, nandritra izany fotoana izany ihany. Tamin’ny 1974, dia nahavidy sinema taloha iray tao Dudley ireo rahalahy. Naharitra ela kokoa ny fanavaozana io trano io, kanefa azo nampiasaina avy hatrany koa izy io, tamin’ny Septambra 1976.

Fanorenana Efitrano Fivoriambe vaovao

Nitombo hatrany ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, izay nisy 71 944 tamin’ny 1974, ary tafakatra ho 92 616 tamin’ny 1984. Maro tamin’ireo mpitory no nipetraka tany amin’ireo faritra an-tanàn-dehibe be taozava-baventy any avaratra. Natao ny fandaharana mba hanorenana efitrano iray tany South Yorkshire.

Natomboka ny fanorenana tamin’ny Septambra 1985, teo amin’ilay toerana izay nanjary fantatra hoe Efitrano Fivoriamben’i East Pennine. Rafitra vy, nisy seza ho an’ny olona 1 642 izy io, ary nisy Efitrano Fanjakana iray nisy seza 350 ho an’ny kôngregasiôna teo an-toerana. Ilay trano dia nasiana tafo nirefy 42 metatra ny lavany, ka hita ho faran’izay kanto. Nantsoin’ny gazetiboky The Structural Engineer hoe “ilay vahaolana valo lafy”, io rafitra hafakely io. Nomen’ny Filan-kevitry ny Tanànan’i Rotherham ny loka ho an’ny trano tsara rafitra indrindra, ilay Efitrano Fivoriambe.

Niasa teo amin’ilay toeram-panorenana hatramin’ny voalohany i Noble Bower, anisan’ilay komitin’ny tetik’asa, ary tonga mpiandraikitra voalohan’ilay efitrano izy tatỳ aoriana. Ny fihetsiny falifaly, nefa tsy tia manao tsirambina, dia nandrisika an’ireo rahalahy sy anabavy maherin’ny 12 500 nanampy tamin’ilay fanorenana, nandritra ny herintaona sy roa volana. Tao anatin’ny zavona namanala sy ny maripana ambanin’ny zerô ary ny orampanala no nanohizana ny asa. Mba hahavitana izany, dia nanangana kombarika nanodidina ilay faritra ireo rahalahy, mba hanohanana plastika fiarovana. Nitsoka rivotra mafana tao anatin’ilay plastika ny fitaovana fanafanana goavana. Tsy nisy nahasakana ilay asa teo amin’io tetik’asa lehibe io. Nisy rahalahy tonga avy lavitra mba hampahery ireo mpiasa an-tsitrapo.

Ho an’i Noble sy i Louie vadiny, ny andro tsy hay hadinoina indrindra dia ny nitokanana ilay Efitrano Fivoriambe ho an’i Jehovah, tamin’ny 15 Novambra 1986, nandritra ny fitsidihan’i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana.

Nisy Efitrano Fivoriambe tany avaratra sy tany Midlands ary tany atsimoatsinanana, fa inona kosa no azo nomena ireo rahalahy tany amin’ny tapany andrefan’i Angletera sy tatsy Pays de Galles? Nisy sombin-tany iray sahaza hita tao Almondsbury, any avaratry ny tanànan’i Bristol, tamin’ny Oktobra 1987. Tsy mora anefa ny nahazo ny taratasy fahazoan-dalana nilaina mba hamaritana ilay toerana. Nilaina ny namerimberina ny fangatahana fahazoan-dalana, mandra-pahazo izany tamin’ny Febroary 1993, rehefa ela ny ela.

Avy eo dia nandroso tsara ny fanorenana. Endrey ny fifaliana rehefa tonga ny fotoana nitokanana azy io, dia ny Efitrano Fivoriambe fahenina teto Angletera, tamin’ny 5 Aogositra 1995! Nanao lahateny nitondra ny foto-kevitra hoe “Famenoana ny Tany Amin’ny Fahalalana An’i Jehovah”, i John Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Samy nankasitraka izao fampahatsiahivany tamin-katsaram-panahy izao ny mpanatrika rehetra: “Aza hadinoina na oviana na oviana fa tapany kely fotsiny amin’ny fitoeran-tongotr’i Jehovah ny faritaninareo. Mahaliana azy ity faritra amin’ny tany misy anareo ity, toy ny faritra hafa koa, koa tadidio fa mahafaoka ny tany manontolo ny asan’ilay Fanjakana.”

Nanao lahateny tamin’ny fitokanana fitambarana Efitrano Fanjakana vaovao iray tao Edgware, any amin’ny faritra avaratr’i Londres, ny Rahalahy Barr, ny herinandro nanaraka. Tao ireo rahalahy dia nanorina trano tsara tarehy iray voaforona Efitrano Fanjakana telo nisy rindrina mampisaraka azo aforitra mba hahazoana Efitrano Fivoriambe iray, izay azon’ireo kôngregasiôna niteny vahiny nampiasaina. Tamin’izay fotoana izay, dia nanjary lafiny lehibe hafa iray teo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana teto Grande-Bretagne ny fandraisan’ny olona miteny vahiny.

“Naniry foana ny hanao bebe kokoa”

Ho an’ny Vavolombelona sasany, dia voafaoka tao amin’ny fizarana ny vaovao tsara tamin’ny hafa koa ny fitadiavana fomba hanitarana ny fanompoany. Mendri-piderana ireo rahalahy sy anabavy britanika maro izay nanao ezaka mba hanompo tany amin’izay nilana fanampiana kokoa. Toy izay nitranga tamin’ny mpisava lalana be zotom-po maro tamin’ireo taona 1920 sy 1930, dia matetika izany no nidika ho fifindrana nankany an-tany hafa. Nanampy an’ireny rahalahy sy anabavy ireny ny fifindrana tany ivelany, mba hamokarana voan’ilay Fanjakana tany amin’ilay fonenany vaovao, ary koa mba hampaherezana ireo rahalahy teo an-toerana. Nandritra ireo taona 1970 sy 1980, dia nisy fianakaviana maro avy teto Grande-Bretagne nifindra nankany Amerika Afovoany sy Atsimo, Afrika, ary Azia.

Nivarotra ny tranony teo amin’ny Nosy Wight i Vera Bull, teo amin’ny faha-57 taonany, izay nanan-janakavavy roa efa lehibe sy nanambady. Nankany Kolombia i Vera, niaraka tamin’ny mpisava lalana tanora maromaro avy tao amin’ny Kôngregasiônan’i Ealing teto Londres. Nianatra haingana ny fiteny espaniola izy, ary tsy ela dia nitarika fampianarana Baiboly 18. Mbola manompo any ihany izy, 30 taona eo ho eo atỳ aoriana, ary voahodidina zanaka ara-panahy maro.

Efa nanompo hatramin’ny taona maromaro tany Ouganda i Tom sy i Ann Cooke, niaraka tamin’ireo zanany vavy roa — i Sara sy i Rachel — raha voatery niverina nanketo Angletera tamin’ny 1974, noho ny toe-draharaha tany Ouganda. Nifindra toerana indray izy ireo ny taona nanaraka, ka nankany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nanambady mpisava lalana manokana i Sara tany. Nifindra nankany Aostralia ilay fianakaviana tatỳ aoriana, ary nanambady Vavolombelona tany i Rachel. Tamin’ny 1991, dia namonjy faritany vaovao tany amin’ny Nosy Salomon i Tom sy i Ann, ary mpandrindra ny Komitin’ny Sampana any i Tom ankehitriny.

Ho an’ny hafa, dia voafetra kokoa ny fotoana nipetrahany tany ivelany. Na izany aza, dia hita ho sarobidy ho azy ireo ny zavatra niainany tany ampitan-dranomasina, na inona izany na inona. Anisan’izy ireo i Barry sy i Jeanette Rushby.

“Hatramin’ny naha tao amin’ny fahamarinana ahy, dia naniry foana ny hanao bebe kokoa aho”, hoy i Barry. Rehefa nanambady an’i Jeanette, mpisava lalana, izy, dia namaly antso tao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mba hanompo tany Papouasie-Nouvelle-Guinée izy roa. “Valin’ny vavaka nataonay izany”, hoy ny fieken’izy roa mihitsy. Nirin’ireo rahalahy tao amin’ny sampana tao Port Moresby ny hanompoan’izy ireo tao Goroka, any afovoan’ilay tany, saingy tsy nanan-kery afa-tsy teo amin’ny nosy Bougainville ny fanomezan-dalana hiasa azon’i Barry. Rehefa tonga tany Papouasie-Nouvelle-Guinée izy ireo, dia endrey ny hafaliany nahafantatra fa novan’ny manam-pahefana ny fanomezan-dalana hiasa ho an’i Barry, ka notendrena ho any Goroka izy!

Mpampianatra tao amin’ny sekoly iray i Barry, fa i Jeanette kosa mpisava lalana tao amin’ny kôngregasiôna nisy mpitory 18. Hoy ny tsaroan’i Barry: “Izao no iray tamin’ireo zavatra nianarako: Rehefa tonga ny fotoana hanatrehana ireo fivorian’ny kôngregasiôna, dia tsy nisy na inona na inona nampiova hevitra an’ireo rahalahy, na dia ny andro ratsy be tamin’ny fotoan’ny orana aza. Tsy nanana fiara izy ireo, ary matetika no nandeha an-tongotra adiny iray na roa mba hamonjena fivoriana, hany ka kotsa tanteraka izy ireo rehefa niditra ny Efitrano Fanjakana! Tonga foana anefa izy ireo.”

Niova ny toe-draharaha ho an’ny vahiny, taorian’ny enin-taona nahafinaritra nanompoan’i Barry sy i Jeanette tany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nanapa-kevitra i Barry fa fahendrena ny hiverenan’izy ireo teto Grande-Bretagne. Noho izay efa niainany tany ampitan-dranomasina anefa, dia tapa-kevitra izy ireo fa ny tenan’izy roa mihitsy izao no hirotsaka ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Ho aiza anefa? Naniry hanompo tany amin’izay nilana fanampiana manokana izy ireo. Naka hevitra tamin’ny Fikambanana sy ny mpiandraikitra ny fizaran-taniny izy ireo, ary taorian’izay dia nifindra nankany Boston, any Lincolnshire. Tsy ela izy ireo dia nahita toerana ipetrahana, saingy tsy nety nahita asa tapa-potoana i Barry, mba hahafahany hanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’i Jeanette. Na izany aza, dia nino izy ireo fa hanampy i Jehovah, araka ny fampanantenany, raha nametraka an’ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany izy ireo. Koa nanapa-kevitra àry izy ireo ny hanomboka ny asan’ny mpisava lalana ny 1 Septambra — na nahita asa i Barry na tsia! Ny 1 Septambra, dia efa nanao ny pardesiany izy ireo, nadiva hanainga hanompo eny amin’ny saha, raha naneno ny telefaonina. Nanontany toy izao ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny Biraon’ny Paositra: “Tianao ve ny hiasa tapa-potoana?” Hoy ny navalin’i Barry: “Tsara be! Rahoviana no tianao hanombohako?” Hoy ilay rangahy: “Ahoana raha rahampitso?” Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo mba hametrahana ny fanompoana azy teo amin’ny toerana voalohany. (Matio 6:33). Efa-taona tatỳ aoriana, dia nisy antso an-telefaonina hafa iray tsy nampoizina ho an’i Barry sy i Jeanette — fanendrena hikarakara ny Efitrano Fivoriamben’i East Pennine.

Mazoto manolo-tena izy ireo

Mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah ny toe-tsaina mazoto manolo-tena ho amin’ny fanompoana. Nihira ho an’i Jehovah toy izao i Davida Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; (...) tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” (Sal. 110:3). Nasehon’ny mpitory maro teto Grande-Bretagne izany toe-tsaina izany, satria nataon’izy ireo izay hahafahany handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana marina.

Nahazo fampaherezana be dia be ireo rehetra nanolo-tena hanompo manontolo andro, na antitra na tanora, rehefa nandre fampandrenesana iray tany amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpiasa Falifaly”, tamin’ny 1977. Olona nitontaly ho 110 000 tany amin’ireo fivoriambe fito natao nanerana an’i Angletera sy i Ekosy ary i Pays de Galles, no nitehaka naneho ny hafaliany, rehefa nambaran’ilay mpandahateny ireo fandaharana ny amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Sekoly fianarana ny Baiboly maharitra tapa-bolana izy io, ary misy fahafahana hanao fampiharana eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manome fampiofanana ambony ho an’ireo efa mpisava lalana hatramin’ny herintaona, fara fahakeliny, izy io. Rehefa avy nahazo io fampiofanana io ny sasany tamin’ireny mpisava lalana ireny, dia afaka manampy amin’ny fanokafana faritany mbola tsy nitoriana firy na mbola tsy nitoriana mihitsy.

Natomboka tamin’ny Martsa 1978 ilay sekoly, teto Grande-Bretagne, tao amin’ny tanànan’i Leeds, any avaratra. Iray tamin’ireo mpisava lalana nanatrika io kilasy voalohany io i Ann Hardy, ary tsaroany fa tena nahafinaritra ilay izy. “Nahazo fampaherezana ara-panahy be dia be aoka izany izahay”, hoy izy. “Tena nanampy anay ilay sekoly mba hahatakatra tsara kokoa fa tena ilaina ny miahy ny olona hitanay eo amin’ny fanompoanay eny amin’ny saha.” Anisan’ny fianakavian’ny Betela izy sy ny vadiny ankehitriny. Nanatrika ilay sekoly tao Pontypridd, atsy Pays de Galles, i Andrea Biggs, izay manan-janaka efatra; nihiaka toy izao izy: “Raha izany no santatry ny zavatra ho avy, dia manan-javatra mahafaly tokoa tehiriziny ho antsika i Jehovah, ary iriko mafy dia mafy tokoa izao ny hahatongavan’izany fandehan-javatra vaovao izany!” Kilasy 740 teo ho eo no efa natao hatramin’izao, ary mitovy fihetseham-po amin’i Andrea ireo mpisava lalana 20 000 nanatrika ireo kilasy ireo. Tsy vitsy no tapa-kevitra ny hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana ho anton’asany, rehefa avy nanatrika ilay sekoly.

An-jatony maro no nanolo-tena hanompo eto amin’ny sampan’i Grande-Bretagne, ka tonga mpianakavin’ny Betela, rehefa nanjary za-draharaha teo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Misy 393 izahay ato amin’ny fianakavian’ny Betela amin’izao fotoana izao, ka ny 38 efa nanompo tato amin’ny Betela hatramin’ny 20 taona na mahery.

Anisan’ireo manompo ato amin’ny Betela i Christopher Hill. Nahoana izy no nanao fangatahana hanompo ato? Hoy ny navaliny: “Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana aho, tamin’ny 1989. Tiako hoporofoina tamin’i Jehovah sy tamin’ny tenako anefa fa matoa aho tao amin’ny fanompoana manontolo andro, dia satria tia azy, fa tsy hoe satria fotsiny mpisava lalana ny ray aman-dreniko. Niriko ny hanao ny fahamarinana ho ny fiainako manontolo, fa tsy ho tapany amin’ny fiainako fotsiny. Fantatro fa hanampy ahy hanao izany ny fanompoana ato amin’ny Betela, na dia sarotra aza.”

Mpianakavin’ny Betela koa i Geraint Watkin. Teo am-piandohan’ireo taona 1980, dia nolaviny ny fianarana teny amin’ny oniversite mba hanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana. Namelon-tena tamin’ny fanaovana asa tapa-potoana tao amin’ny toeram-pambolen’ny rainy izy. Nankafy ny asan’ny mpisava lalana izy, ary nanantena fa mety ho tonga misionera indray andro any. Koa nahoana àry izy no nanao fangatahana hanompo ato amin’ny Betela? Nisy heriny lalina teo aminy ny lahatsoratra iray ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1989. Tao no namakiany ny tantaram-piainan’i Max Larson, anisan’ny fianakavian’ny Betela any Etazonia. Izao mantsy no nolazain’ny Rahalahy Larson: “Mino mafy aho fa ny Betela no toerana tsara indrindra azo iainana alohan’ny fanorenana ny Paradisa eto an-tany.” Nomarihin’i Geraint fa rehefa avy nangataka taratasy fangatahana hanompo ao amin’ny Betela ny Rahalahy Larson, dia napetrany hatrany tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka ilay raharaha. Nanaraka izany ohatra izany avy hatrany i Geraint. Tokony ho folo andro taorian’izay, dia naharay antso an-telefaonina nanasana azy ho tonga mpianakavin’ny Betela teto Grande-Bretagne izy. Mampiasa ny traikefa azony tany amin’ny toeram-pambolen’ny rainy izy eo amin’ny fanompoany ato amin’ny Betela, mba hikarakarana toeram-pambolena iray izay mamatsy sakafo ho an’ny fianakavian’ny Betela eto Londres. Fomba iray nentiny nameloman-tena fotsiny ny fambolena teo aloha, fony izy nanao ny asan’ny mpisava lalana. Izao kosa izy dia mihevitra ny fambolena ataony ankehitriny ho “fanendren’ny Betela avy amin’i Jehovah”.

Nanintona Vavolombelona hafa ny tetik’asa fanorenana teôkratika. Fony mpisava lalana i Denise (Teddy) McNeil, dia niasa kosa i Gary vadiny mba hamelomana ny ankohonany. Avy eo, tamin’ny 1987, dia samy nanolo-tena hanampy tamin’ny fanorenana ny Betela teto Londres izy mivady. Na dia tsy nahazo fanasana aza izy ireo tamin’izay fotoana izay, dia nasaina ho tonga mpianakavin’ny Betela izy ireo tamin’ny 1989. Nanaiky izy ireo, satria tao an-tsainy foana ilay torohevitry ny mpiandraikitra ny fizaran-tany hoe: “Aza mandà fanendrena avy amin’i Jehovah na oviana na oviana.” Hita ho tena nilaina indrindra tato amin’ny Betela ny fahaizan’i Gary momba ny elektrônika sy ny traikefa nananan’i Teddy tamin’ny naha mpitsabo nify mpanampy azy. Nandray anjara koa tamin’ny fitadiavana olona liana teo amin’ny saha niteny poloney sy bengali, teto amin’ny faritr’i Londres, izy ireo.

Nanolo-tena hanampy tamin’ny fanorenana i Willie sy i Betty Stewart, ary koa ny hafa, ka tonga mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena. Mpikarakara fantson-drano sy injenieran’ny fanafanana trano i Willie, ary nisotro ronono alohan’ny fotoana, teo amin’ny faha-55 taonany. Nandray anjara tamin’ny tetik’asa fanorenana tany Gresy ry Stewart nony avy eo, ary nankany Espaina sy Zimbabwe ary Malta tatỳ aoriana. Nanampy tamin’ny fikarakarana ny ao an-trano sy ny fanasan-damba i Betty, ary nanampy tamin’ny fikarakarana fantson-drano mihitsy aza. Niasa mafy izy ireo, ka nahatsiaro ho novalian-tsoa be dia be teo amin’ny lafiny ara-panahy. Hoy i Willie: “Nahazo namana maneran-tany sy avy amin’ny sokajin-taona rehetra izahay.”

Fampiofanana manokana ho an’ny rahalahy nahafeno fepetra

Nisokatra tamin’ny 1990 ny varavarana hafa iray nahafahana nanitatra ny fanompoana, rehefa natomboka ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, teto Grande-Bretagne. Fahafahana nisokatra ho an’ny loholona na mpanampy amin’ny fanompoana mbola mpitovo izy io, mba handraisan’izy ireo fianarana manokana, ho fikendrena ny hanompo any amin’ny toerana rehetra mety hilana azy ireo, eo amin’ny saha maneran-tany. Mifandanja tsara ny fampianarana ara-baiboly sy ny raharaha mahakasika ny fandaminana teôkratika, omen’io sekoly maharitra roa volana io. Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i East Pennine ny kilasy voalohany teto Grande-Bretagne. Mpiandraikitra ny distrika roa avy tany Etazonia — i James Hinderer sy i Randall Davis — no nampianatra tao. Nanatrika ilay kilasy koa ny mpiandraikitra ny fizaran-tany telo efa za-draharaha avy teto Grande-Bretagne — i Peter Nicholls sy i Ray Pople ary i Michael Spurr — mba hiofana amin’ny fampianarana ireo kilasy amin’ny hoavy. Niteny tamin’ilay kilasy nahazo diplaoma tamin’ny 17 Jona 1990 i Albert D. Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ka hoy izy tamin’ireo mpianatra voatendry hanompo teto Grande-Bretagne: “Tena ilaina amin’ny fanitarana ny asa eto ianareo, ry tovolahy mahafinaritra. Tena hanome tosika ho an’ny asa eto amin’ny saha britanika ny fanompoanareo.”

Anisan’ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana i Bharat Ram, izay avy tao amin’ny fianakaviana hindoa. Manambady izy ankehitriny, ary any amin’ny faritra avaratrandrefana be olona miteny goujrati azony ampiana, izy mivady, no miara-manompo. I John Williams, avy atsy Pays de Galles, kosa gaga fa voatendry hiasa any amin’ny sampan’i Zambia, izay nilana ny fahaizany ara-teknika, ary avy eo dia voatendry ho misionera any Kitwe, any Zambia.

Fony 12 taona i Gordon Sarkodie, izay teraka tany Ghana, dia nifindra nanketo Angletera niaraka tamin’ny fianakaviany. Raha mbola zatovo izy, dia nanaitra ny fahalianany tamin’ny fahamarinana ara-baiboly ny Vavolombelona iray nanatitra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ho an-drainy. Nitarika ho amin’ny fanaovana batisa azy tamin’ny 1985, ny fianarany ny Baiboly. Nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy, ary nitarika fampianarana Baiboly maro aoka izany, hany ka nanipy hevitra ny hirotsahany ho mpisava lalana maharitra ireo mpisava lalana namany. Rehefa nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana izy teo am-pifaranan’ny taona voalohany nanaovany ny fanompoana manontolo andro, dia nampirisika azy hanao fangatahana ho amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Natosiky ny faniriana ho afaka hanampy tsara kokoa ireo tanora tao amin’ny kôngregasiôna i Gordon, ka nanao ilay fangatahana. Nanatrika ny kilasy fahafiton’ilay sekoly teto Grande-Bretagne izy. Nanompo roa taona teto Londres izy, taorian’ny nahazoany diplaoma. Voatendry ho misionera tany Zambia izy nony avy eo. Vonona ny hanao izay asa nandidian’i Jehovah izy, na inona izany na inona, hany ka nitarika miandalana ho amin’ny tombontsoam-panompoana fanampiny ny fampiofanana noraisiny. Niofana telo volana nianatra ny fiteny icimbeba, fiteny iray eo an-toerana, izy, ary avy eo dia voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany tao amin’ny Provansin’i Copperbelt. Nanana tombontsoa nampiofana ny hafa ho amin’ny asan’ny fizaran-tany koa izy.

Notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelona i Richard Frudd, izay teratany britanika. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy, ka nahatsapa fa tsy tsara toerana mihitsy mba hanisy fepetra ny amin’izay tafiditra amin’izany fanoloran-tena izany. Nanao izay hahafahany àry izy, ka nirotsaka ho mpisava lalana, tamin’ny 1982. Nanao fangatahana ho amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy, ary nahazo diplaoma tamin’ny 1990. Voatendry ho any Zambia koa izy. Nianatra ny fiteny icibemba izy, ary nahazo fahazaran-draharaha tamin’ny asa vaovao nanendrena azy, ka voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany nony avy eo. Nampianatra tao amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana natao tao amin’ny sampan’i Zambia koa izy.

Hatramin’izao, dia mpianatra 433 no nahazo diplaoma avy tao amin’ny kilasy 19 tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Grande-Bretagne. Amin’io isa io, dia 79 no manompo any ivelany ankehitriny, 4 mpiandraikitra ny fizaran-tany, 12 Betelita, ary 308 mpisava lalana mizara eto Grande-Bretagne ireo soa noraisiny tamin’ilay fampiofanana azony.

Fifindrana nankany amin’ny saha misionera

An-jatony maro tamin’ireo mpisava lalana teto Grande-Bretagne no nanolo-tena hanompo any amin’ny toerana rehetra mety hilana azy ireo, eo amin’ny saha maneran-tany. Maro tamin’izy ireo no niofana tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, any New York. Tamin’ny fitambarany, dia 524 avy teto Grande-Bretagne no nahazo diplaoma tao Gileada. Nanompo tany amin’ny tany 64, tany amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, izy ireo.

Efa nanompo tany an-tany hafa ny mpisava lalana britanika sasany, talohan’ny nanasana azy ho any Gileada. Izany no nitranga tamin’i John sy i Eric Cooke, izay efa nanompo tany Frantsa sy Espaina. Rehefa avy nanatrika ny sekolin’i Gileada izy mirahalahy, dia nirahina nankany Afrika i Eric, ary nanompo tany Espaina sy Portogaly aloha i John, ary avy eo tany Afrika. Izany koa no nitranga tamin’i Robert sy i George Nisbet, izay efa nanompo tany Afrika Atsimo nandritra ny 15 taona na mahery, talohan’ny nanatrehany ny sekolin’i Gileada. Avy eo izy mirahalahy dia nanompo tany Maorisy, ary niverina tao amin’ny kôntinanta afrikanina indray tatỳ aoriana. I Claude Goodman kosa efa nanompo 20 taona tany Inde, Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), Birmania (Myanmar ankehitriny), Tailandy, sy Malaya (tafiditra ao anatin’i Malezia ankehitriny), talohan’ny nanatrehany ny sekolin’i Gileada; nirahina nankany Pakistan izy nony avy eo. Efa mpisava lalana nandritra ny 20 taona tany Inde i Edwin Skinner, talohan’ny nanatrehany ny sekolin’i Gileada, ary avy eo izy dia nanohy nanompo tany Inde nandritra ny 43 taona fanampiny, mandra-pahavitany ny fihazakazahany teto an-tany, tamin’ny 1990.

Ny hafa dia efa nanandrana mialoha ny fanompoana tany an-tany hafa, rehefa tonga mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena tamin’ny tetik’asa fanorenana. Izany no nitranga tamin’i Richard sy i Lusia Palmer, izay efa nanompo nandritra ny fe-potoana samihafa tany Gresy, Tahiti, Espaina, sy Sri Lanka, teo anelanelan’ny taona 1989 sy 1994, ary avy eo dia nijanona telo taona mahery tany Sri Lanka mba hanao ny asan’ny mpisava lalana, mandra-panasa azy ho any Gileada.

Nampirisihina ireo nanao fangatahana hanatrika ny sekolin’i Gileada mba hihevitra ny fanompoan’ny misionera ho asa hataony mandritra ny androm-piainany. Izany fomba fijery izany no nentin’ny ankamaroan’izy ireo nanombohana ny asa nanendrena azy, ary nanome ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io ny sasany. Misy 45, fara fahakeliny, ireo niala teto Grande-Bretagne ary mbola any amin’ny faritany nanendrena azy ho misionera, efa hatramin’ny 20 taona na mahery. Amin’izy ireo, dia 9 no any Amerika Afovoany sy Atsimo, 11 any amin’ireo tany aziatika, 11 hafa any Afrika, 4 atsy Eoropa, ary 10 any amin’ny nosy maro samihafa.

Anisan’ireo misionera efa hatramin’ny ela i Anthony Attwood, izay nanompo 49 taona tany Nizeria. Nafindra nanketo amin’ny Betelan’i Londres izy tamin’ny 1997, noho ny lalàna sasany momba ny fidiran’ny vahiny any Nizeria, saingy mbola any ihany ny fony. Hoy izy: “Tombontsoa mahafinaritra ny nanompo tany Nizeria. Ireny ka taona maro lany tamin’ny fomba tsara. Mampirisika ny tanora rehetra notahina tamin’ny fahazoana ny fahamarinana aho, mba hanararaotra ny tombontsoa rehetra apetraka eo anoloany. Tsy hahafoy anareo na oviana na oviana i Jehovah. Fantatro tamin’izay efa niainako izany.” I Olive Springate dia nalefa ho misionera tany Brezila tamin’ny 1951, ary niaraka taminy tany i Sonia, rahavaviny, tamin’ny 1959. I Denton Hopkinson sy i Raymond Leach kosa, tonga tany Philippines teo am-piandohan’ireo taona 1950 mba hanao ny asan’ny misionera, ary mbola any izy ireo no mipetraka. I Malcolm Vigo dia nanomboka ny fanompoan’ny misionera tany Malawi, ary nijanona tany folo taona, mandra-pandroakan’ny fanjakana azy. Manompo any Nizeria izy sy ny vadiny ankehitriny. Mbola misy maro hafa koa azo resahina, ary nanana fiainana ampoky ny soa ny tsirairay amin’izy ireo, noho ny fitahian’i Jehovah.

Voatery niady mafy tamin’ny olana lehibe ny sasany izay nirotsaka ho misionera, mba hahafahany hanohy izany fanompoana izany. Noho ny aretina, dia voatery niverina vetivety teto Angletera i Eric sy i Chris Britten, rehefa avy nanao ny fanompoan’ny misionera nandritra ny taona maromaro tany Brezila. Nanaiky fanendrena hankany Portogaly, izay nandrarana ny asa, izy ireo, tatỳ aoriana, tamin’io taona io ihany. Rehefa voaroaka avy tany Portogaly izy ireo fito taona tatỳ aoriana, noho ny nanaovany asa fampianarana Baiboly, dia nanohy ny fanompoana manontolo andro teto Angletera. Nanoratra tatỳ amin’ny Fikambanana anefa izy ireo tamin’izay fotoana izay, ka nanontany raha mety hahazo fanendrena hafa ho misionera. Tsy ela izy ireo dia tafaverina tany Brezila, izay nanaovany ny asan’ny misionera sy ny asan’ny fizaran-tany. Niara-nanompo tamim-pahatokiana tany Brezila izy ireo, mandra-pahafatin’i Eric tamin’ny Aogositra 1999; i Chris kosa mbola manohy manompo any.

Rehefa afaka taona maromaro, ny adidy ara-pianakaviana takin’ny Soratra Masina dia mety hanery ny olona iray hanao fanitsiana eo amin’ny fanompoany. Izany no nitranga tamin’i Mike sy i Barbara Pottage, izay nanompo 26 taona tany Zaïre, ary avy eo dia niverina teto Angletera tamin’ny 1991, mba hahafahany hanampy ny renin’ny anankiray tamin’izy ireo efa be taona, izay tao anatin’ny tarehin-javatra nampahory. Mbola tao amin’ny fanompoana manontolo andro anefa ny fon’izy ireo, ary nahavita nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana no sady niantsoroka ny andraikiny ara-pianakaviana izy ireo. Tamin’ny 1996, dia afaka niverina teny amin’ny saha misionera nandritra ny telo taona fanampiny izy ireo, tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny. Mpianakavin’ny Betela eto Grande-Bretagne izy ireo amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny nanombohany ny fanompoany tany Zaïre, dia hitan’izy ireo ny isan’ny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra niisa 4 243 tany amin’io tany io, nitombo ho maherin’ny 108 000. Tsaroan’izy ireo tsara mihitsy ny fotoana nanekena ho ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tany io, tokony ho herintaona taorian’ny nahatongavany tany. Ary mbola heverin’izy ireo ho fisehoan-javatra nisongadina teo amin’ny fiainany ny fivoriamben’ny distrika voalohany natao tany Kinshasa, ny taona nanaraka, na dia 3 817 monja aza ny mpanatrika. Endrey tokoa ny fifaliana rehefa nisy olona 534 000 tafavory mba hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ka nandray soa avy tamin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra, tamin’ny 1998, na dia teo aza ny toe-draharaha tsy nilamina tao amin’ilay tany!

Fitadiavana Efitrano Fanjakana sahaza

Arakaraka ny nitomboan’ny isan’ireo kôngregasiôna teto Grande-Bretagne no nahasarotra hatrany ny fitadiavana Efitrano Fanjakana sahaza. Efitrano sy toeran-kafa nohofana no nivorian’ny kôngregasiôna sasany, kanefa tsy izy rehetra no sahaza hanoloran’ny Kristianina tafavory fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika misandratra avo. Nilaina dia nilaina ny toeram-pivoriana sahaza.

Tsy mora foana ny nahazo toerana hanaovana Efitrano Fanjakana. Tena faran’izay mafy ny fanoherana indraindray, indrindra fa tany amin’ny toerana nisian’ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana. Na izany aza, dia nitondra fahombiazana ny fianteherana tamin’i Jehovah sy ny fikirizan’ireo rahalahy tompon’andraikitra, ka gaga be ireo mpanohitra.

Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia nanolo-kevitra ny hividy chapelle iray efa tsy niasa intsony ny kôngregasiôna iray tao Swansea, atsy Pays de Galles, mba hampiasainy ho Efitrano Fanjakana. Nilaza ny diakra iray tao amin’ilay fiangonana tompon’ilay trano hoe aleony maty toy izay hahita ny hivarotana ilay izy amin’ny Vavolombelona. Ho vokany, dia namidy tamin’ny Biraon’ny Paositra ilay chapelle, mba hampiasaina ho birao foiben-telefaonina, nandritra ny fotoana tsy naharitra. Rehefa tsy nilain’ny Biraon’ny Paositra intsony anefa ilay trano tamin’ny 1980, dia nataony lavanty. Nandre momba izany ny iray tamin’ireo loholon’ny kôngregasiôna, ka niara-nidinika tamin’ireo loholona hafa hoe ohatrinona no ho azon’izy ireo tononina amin’ilay lavanty. Nitentina £20 000 (216 400 000 FMG eo ho eo) ilay trano mbamin’ilay tany niorenany, araka ny fanombanan’ny mpandrefy tany iray. Endrey ny hafalian’ireo rahalahy, rehefa azony £15 000 (152 800 000 FMG eo ho eo) ilay izy! Notokanana ho an’i Jehovah ilay trano, rehefa avy nohavaozina araka izay nilaina.

Rehefa nitarika ho amin’ny famoronana kôngregasiôna hafa iray ny fitomboana tao amin’ny kôngregasiôna tao amin’ny tanànan’i Exmouth, any amin’ny morontsiraka atsimoandrefana, dia nanapa-kevitra ireo rahalahy fa nilaina ny toerana vaovao iray hanaovana Efitrano Fanjakana lehibe kokoa. Nanjary fantatr’izy ireo fa nanana toerana efa voazara ho amin-java-kendrena ara-pivavahana ny filan-kevitry ny distrika. Nifampiraharaha tamin’ilay filan-kevitra ny Vavolombelona mba hividianana ilay toerana. Tamin’izay ilay filan-kevitra dia nametraka fepetra tsy fahita mahazatra hoe tsy ho azo vitaina ny fifanekena momba ny fivarotana ilay tany, raha tsy efa voaorina ny trano. Vita tamin’ny 1997 ny fanorenana. Soa ihany fa nitana ny teny nataony ilay filan-kevitra. Amin’ireo kôngregasiôna mampiasa io efitrano io, dia porofon’ny fitahian’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo mba hampandrosoana ny fitaran’ny fanompoam-pivavahana marina eo amin’ilay faritra misy azy ireo, izy io.

Vao voalohany tatỳ Eoropa

Na dia nety ho azo aza ny tany, dia matetika no naharitra an-taonany maro ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao iray. Nitombo ho 1 147 anefa ny isan’ireo kôngregasiôna 943 teto Grande-Bretagne, tao anatin’ny folo taona, hatramin’ny 1982. Nilaina ny nanao zavatra mba hahafahan’ny asa fanorenana haharaka izany fitomboana izany.

Tamin’ny Septambra 1983, dia nisy antokon-drahalahy efa za-draharaha tamin’ny asa fanorenana avy tany Etazonia sy Kanada, tonga tao Northampton, 101 kilaometatra any avaratr’i Londres. Efa nanao fanorenana tamin’ny fomba haingana izy ireo, ary tonga mba hizara ireo vahaolana azo ampiharina izay efa hitany. Niara-niasa tamin’ny rahalahy teo an-toerana izy ireo mba hanampy azy ireny hanorina Efitrano Fanjakana vaovao iray tamin’ny fomba tsy nandaniam-bola be sady haingana. Nanao tatitra toy izao ny gazetiboky Building Design, ny volana nanaraka: “Vao haingana izay, dia nisy antokona Vavolombelon’i Jehovah nahavita tao anatin’ny efatra andro, ny asa ho nataon’ny mpiantoka fanorenana trano tao anatin’ny enim-bolana, raha ny ara-dalàna, ary ny ampahefatry ny vidiny no lanin’izy ireo tamin’ilay izy.” Nitahy ny fanorenana io Efitrano Fanjakana tamin’ny fomba haingana io, izay ny voalohany tatỳ Eoropa, i Jehovah.

Ny taona nanaraka, dia mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 1 000 no nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray tao amin’ny tanànan’i Dolgellau, atsy Pays de Galles. Vita tao anatin’ny roa andro, fa tsy efatra, ilay tetik’asa, tamin’ity indray mandeha ity. Tonga nanome tanana an’ireo Vavolombelona 33 teo an-toerana ny Vavolombelona hafa avy tao Pays de Galles ihany sy avy teto Angletera ary avy tany Etazonia. Nisy rahalahy avy tany Frantsa sy Holandy koa tonga teo mba hijery ny fomba nanaovana ilay efitrano, ary rehefa nody izy ireo, dia nanomboka nampianatra ny hafa ny fomba fanorenana toy izany.

Nandray soa avy tamin’ny asan’ireo rahalahy nanome tanana avy tany ivelany ny Vavolombelon’i Jehovah teto Grande-Bretagne, ary izy ireo indray kosa dia nanjary vonon-kanampy ny hafa. Hafa kely ny fomba nanaovan’ny kôngregasiôna roa tao King’s Lynn, any Norfolk, izany. Tamin’ny 1986, dia somebiseby tamin’ny fanomanana ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao iray ireo kôngregasiôna ireo, ho solon’ilay trano hazo nampiasain’izy ireo. Nanapa-kevitra ny hanampy ny Kôngregasiônan’i Cobh, tatsy Irlandy, izy ireo, rehefa reny fa nanao fivoriana tao anaty garazy iray nohavaozina, nisy mpanatrika 45 ka hatramin’ny 50, ilay kôngregasiôna. Nomen’izy ireo ny Vavolombelona tany Cobh ilay efitranony taloha, mbamin’izay rehetra tao anatiny, anisan’izany ireo seza sy ny fitaovana fanamafisam-peo. Rehefa hitan’izy ireo fa nilaina nosoloana ireo tolàm-baravarankely, dia nanome vola ampy hividianana izany ireo rahalahy teo an-toerana. Nanome vola hividianana lohatrano vaovao ireo kôngregasiôna teny akaiky. Ankoatra izany rehetra izany, dia niantoka ny lany rehetra tamin’ny fandefasana izany ireo rahalahy tany Norfolk.

Hoy ny tsaroan’i Peter Rose, mpiandraikitra mpitantan-draharaha iray ao King’s Lynn: “Asa goavana ny fandravana ilay efitrano. Tsy maintsy nesorina tamim-pitandremana ny tapany tsirairay mba tsy hisy simba, ka nasiana nomerao avy, ary avy eo dia natambatra indray toy ny kilalao piozila goavana iray.” Rehefa vitan’izy ireo ilay fandravana tamin’ny May 1986, dia nampidiriny tao anaty conteneur iray ny tapany rehetra, ka nalefany nita ny Ranomasin’i Irlandy nankany Cobh. Nanao fandaharana ireo rahalahy tao Cobh mba hanangana ilay efitranony vaovao tamin’ny faran’ny herinandro, dia ny 7 sy 8 Jona — ary tamin’io fotoana io ihany koa no tokony hanorenan’ireo rahalahy tao King’s Lynn ny Efitrano Fanjakanany vaovao. Samy vita tamin’io faran’ny herinandro io ireo Efitrano Fanjakana roa ireo.

Fanohanana ara-bola sy fanampian’ny za-draharaha

Ny fanontana britanika tamin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Aprily 1987, dia nirakitra takelaka fanampiny izay nisarika ny saina ho amin’ny fanokanana Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana, mba “hanomezana fanohanana ara-bola ampy sady mirary” ho an’ny fanorenana efitrano vaovao sy ny fividianana ary ny fanavaozana trano. Tamin’izany fomba izany no azo nanaovana fampitoviana ny famatsiam-bola. (2 Kor. 8:14). Hoy ny famaranan-tenin’ilay lahatsoratra: “Ekentsika fa goavana ilay asa eo am-pelatanana, ary ankasitrahantsika ireo fanomezana nataon’ireo kôngregasiôna (sy mbola ataony) amim-pahalalahan-tanana ho an’ny Efitrano Fivoriambe. Etsy an-danin’izany anefa, dia tsy maintsy mitoky tanteraka amin’i Jehovah isika mba hanampiany antsika hahazo Efitrano Fanjakana ilaina ankehitriny. — Ohab. 3:5, 6.”

Ny taona nanaraka, dia nanao fandaharana tamin’ny alalan’ny biraon’ny sampana ny Fitambara-mpitantana, mba hisian’ny komitin-drahalahy tany amin’ny faritra maro samihafa teto Grande-Bretagne, mba hizara ny traikefany sy hanampy amin’ny fandaminana ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Tamin’ny 1998, dia Komitim-paritra Momba ny Fanorenana 16 no efa voatendry. Efa nanampy tamin’ny fanorenana sy ny fanavaozana Efitrano Fanjakana maherin’ny 700 teto Grande-Bretagne, ireo komity ireo.

Mamelona ankohonana ny ankamaroan’ireo rahalahy ao amin’ireo komity ireo. Ny sasany afaka nanokana fotoana bebe kokoa hanaovana ilay asa; ny hafa kosa, fotoana kely kokoa. Nifidy ny hametraka ny fanorenana Efitrano Fanjakana ho alohan’ny zavatra hafa i Michael Harvey, izay manan-janaka dimy, ary nanohana azy tamin’izany i Jean vadiny. Nahatakatra ny hasarobidin’ny torohevitr’i Jesosy mba hametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, izy mivady. (Matio 6:33). “Nanjary nisy heviny vaovao tanteraka ho anay ny tenin’i Jesosy”, hoy i Michael. “Mbola tsy nahafoy anay na oviana na oviana i Jehovah.” Miombon-kevitra aminy i Jean, ka hoy izy: “Fony sivy taona teo ho eo i Rachel, iray amin’ireo zanakay vavy, dia naroroka be izy ka tsy antonona azy ny akanjony. Tsy nanam-bola ampy hividianana akanjo vaovao ho azy aho, koa niezaka nampiasa izay teo am-pelatanana izahay ary nanamboatra indray sy nanova ireo akanjo mba ho antonona azy. Avy eo, ny omalin’ny fivoriamben’ny fizaran-taninay, dia nandefa ho anay akanjo vaovao roa novidiny tany amin’ny varo-boba ny anabavin’i Michael. Antonona tsara an’i Rachel ireo akanjo — ary tonga ara-potoana tsara ho an’ilay fivoriambe!” Raha mbola mandray anjara amin’ny asa fanorenana ny roa amin’ny zanany lahy, i Jean sy ireo zanany vavy kosa dia mikarakara ny ao an-trano, ary misahana asa mifandray amin’ny tetik’asa fanorenana. “Mampiray anay ny asanay eo amin’ny fanorenana”, hoy ny fanazavan’i Michael. “Tena tetik’asam-pianakaviana tokoa ilay izy.”

Niisa an-jatony maro, eny, an’arivony maro mihitsy aza, ireo mpiasa an-tsitrapo tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sasany, tany amin’ireo taona 1980. Nikendry ny hanatsotra ny asa ny Rahalahy Harvey, ka nankany Danemark mba haka hevitra tamin’ireo rahalahy niasa tamin’ny Efitrano Fanjakana tany. Nisy fanampiana hafa koa avy tamin’ny Fikambanana izay nampahafantatra tamin’ireo kôngregasiôna, fa rehefa nisy Efitrano Fanjakana vaovao nilaina, dia afaka nanome modely maro azo isafidianana sy efa voaomana ny Fikambanana. Ho vokany, dia mpiasa an-tsitrapo vitsy kokoa no nilaina, nihena be ny asa, ary Efitrano Fanjakana tsotra, nefa sahaza, no naorina nanerana an’i Grande-Bretagne.

Tsy tantara mahafinaritra fotsiny

Nanome fanambarana tsara dia tsara ho an’ny besinimaro ny ezaka nifarimbonana tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny hafainganan’ny fanatontosana izany. Matetika ireo gazety no manao tatitra ny amin’izay natao. Tamin’ny 1990, dia nisy fanorenana efitrano vaovao iray naharitra telo andro natao teo amin’ny Nosy Canvey, eo amin’ny ilany avaratra amin’ny Vinanin’i Tamise. Namelabelatra momba io fanorenana io i Victor Lagden, izay sady mpanao gazety no mpaka sarin’ny Evening Echo, gazety iray teo an-toerana. Rehefa tonga teo amin’ilay toeram-panorenana izy ny zoma maraina, dia tsy nahita afa-tsy ireo fitaovam-panorenana. Nisy soratra hoe “Biraon’ny Fampahalalam-baovao” napetaka teo amin’ny varavaran’ny tranofiara iray. “Io ihany no rafitra nijoro teo amin’ilay toerana tamin’izay fotoana izay”, hoy ny tsaroan’i Victor. “Ny tena nanaitra ny saiko anefa dia ireo mpiasan’ny fanorenana — lehilahy sy vehivavy, antitra sy tanora, niara-niasa.” Naka sary an’ilay toerana i Victor, ary dia lasa. Avy eo izy dia nanontany ny mpampanonta tany am-piasany raha nahazo niverimberina teny amin’ilay toerana, nandritra ny faran’ny herinandro, mba hahitana raha marina ilay fihamboan’ny Vavolombelona hoe hanorina trano ao anatin’ny telo andro, na tsia. Namelabelatra momba ny fandrosoan’ilay asa i Victor sy ny mpanao gazety telo hafa.

Ny alahady, dia nanatrika ilay fivoriana voalohany natao tao amin’ilay efitrano vaovao i Victor. Ny vokany dia lahatsoratra iray nameno pejy roa nandravaka ny gazetiny, nitondra ny lohateny hoe “Jehovah Lehibe!” Nitsidika an’i Victor ny iray tamin’ireo loholona teo an-toerana, tatỳ aoriana. Natomboka ny fampianarana Baiboly azy. “Tao anatin’ny roatokom-bolana”, hoy ny fitantarany, “dia nahafantatra ny anaran’Andriamanitra aho, ary tsy mitalaho fotsiny aho izao rehefa mivavaka, fa manome fisaorana koa — fisaorana an’i Jehovah.” Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Victor ankehitriny.

“Mihalalaha”

Nandritra ireo taona 1970 sy 1980, dia be dia be ny fitoriana vita teo amin’ny mpiavy teto Grande-Bretagne, ka ny Vavolombelona mpiavy sy izay nahay ny fitenin’izy ireny no nanao ny ankabeazan’izany fitoriana izany. Nilaina anefa ny fanampiana bebe kokoa.

Tamin’ny 1993, dia olona roa tapitrisa avy tany Azia no nipetraka teto Grande-Bretagne, izany hoe 1 isaky ny mponina 28. Olona maro no avy tany amin’ny ampaha-kôntinantan’i Inde; ny hafa kosa, avy any Afrika Atsinanana. Efa nisy mpitory 500 teo ho eo niteny pendjabi ary mpitory 150 niteny goujrati niaraka tamin’ireo kôngregasiôna anglisy, ary nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 500 tamin’ireo fiteny ireo izy ireo. Azo antoka anefa fa tsy ny mpiavy rehetra no notolorana fahafahana handray soa avy amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Takatry ny biraon’ny sampana fa mety hahatsiaro tena ho tsy mahay ny olona iray tsy mahay afa-tsy teny anglisy, rehefa miezaka hitory amin’ny olona hafa fiteny sy kolontsaina. Noho izany, dia nampirisika ny Vavolombelona teto an-toerana ny biraon’ny sampana mba hanitatra ny fitiavany amin’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra, sy hamboly toe-tsaina toy ny an’i Kristy amin’ny fiahiana izay hahasoa ny hafa. Nampirisihina ‘hihamalalaka’ izy ireo. (2 Kor. 6:11-13; Fil. 2:1-4). Hoy ny fanazavan’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana: “Irintsika ny hahatsapan’ny olona ao amin’ny faritanintsika fa ao amintsika ilay fitiavana sy ilay fiheverana nasehon’i Jesosy Kristy teo amin’ny fanompoany.” Nilazana toy izao ireo Vavolombelona teto Grande-Bretagne: “Saha misionera midadasika no tonga eto amintsika, raha ny marina!”

Ho fanehoam-piheverana ireo olona niteny vahiny, dia nampirisihina ny Vavolombelona britanika rehetra mba hampahafantatra ny amin’ireo vahiny hitany tao amin’ny faritaniny, any amin’ireo kôngregasiôna nahay ilay fiteny. Araka izany, na nahay fiteny hafa ny Vavolombelona tsirairay na tsia, dia samy afaka nandray anjara tamin’ny fiasana ilay saha misionera midadasika nifindra nanketo Angletera izy ireo. Ireo olona nampahafantarin’ny mpitory toy izany no mahaforona ny ankamaroan’ny faritanin’ireo kôngregasiôna miteny vahiny, raha ny marina.

Ho vokany, tamin’ny 1996, dia nitsidika ny tokantranon’ny vehivavy iray avy any Vietnam izay mipetraka ao Newcastle upon Tyne, any avaratratsinanana, i Grace Li. Miteny sinoa ilay ramatoa. Nafana ny fandraisany an’i Grace, ary avy hatrany dia nampandrosoiny izy. Nolazainy tamin’i Grace fa mpitsoa-ponenana, izay nijaly be nandritra ny ady tany Vietnam, izy. Efa ho folo taona teo ho eo no nipetrahany teto Angletera, kanefa mbola tsy nahay niteny anglisy tsara ihany izy. Nohazavainy tamin’i Grace fa matetika izy no nila hamoy fo, kanefa tsy nanana na iza na iza azo nitodihana mba hahazoana fanampiana.

Nolazainy tamin’i Grace koa fa efa-taona talohan’izay, dia nahazo boky iray misy sary tsara tarehy maro izy, saingy tsy azony ny hevitr’ilay boky, satria tsy nahay namaky teny anglisy izy. Isaky ny nahatsapa ho ketraka anefa izy, dia nijery ireo sary, satria nanampy azy hanamaivana ny fahaketrahany sy ho velom-panantenana izany. Nalainy avy teo amin’ny talantalana ilay boky, natolony an’i Grace, ary nasainy novakiny taminy mba hahafantarany hoe momba ny inona izy io. Hay, ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany ilay izy! Nilaza i Grace fa tsara kokoa noho ny famakiana ilay boky anglisy taminy no azony natao. Namoaka avy tao anaty kitapony, boky iray toy ilay teo tamin’ny fiteny sinoa, i Grace. Saika tsy nino izay hitany ilay ramatoa. Ela ny ela ka afaka nahafantatra ny hafatra ao amin’ny Baiboly izy! Nanaiky hianatra ny Baiboly avy hatrany izy.

Anisan’ny ‘fihalalahana’ koa ny nanehoan’ny biraon’ny sampana fiheverana manokana ny hanampiana ireo groupes ara-pirazanana hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy sy hanaraka akaiky kokoa ny fomba fiasan’ny fandaminana. Efa nitsidika kôngregasiôna nanerana an’i Grande-Bretagne hatramin’ny 20 taona, i Colin Seymour sy i Olive vadiny. Samy naneho fiheverana tamim-pahatsorana an’ireo notsidihiny izy mivady, ary hita niharihary indrindra izany nandritra ny fitsidihany ireo kôngregasiôna teo amin’ireo Nosy Malta sy Gozo, any amin’ny Ranomasina Mediterane. Niezaka mihitsy aza izy mivady ny hanome valin-teny tamin’ny fiteny maltais, nandritra ireo fivorian’ny kôngregasiôna, ka nahatonga azy ireo ho tian’ireo rahalahy teo an-toerana izany.

Tamin’ny Septambra 1994, dia voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany ho an’ireo groupes tsy niteny anglisy sy ny sasany tamin’ireo kôngregasiôna niteny vahiny nanerana an’i Angletera, i Colin. Nanombana tamim-pitandremana ny fivoaran’ny groupe tsirairay ho tonga kôngregasiôna izy, ary nanatanjaka ireo kôngregasiôna efa niasa. Na dia io fizaran-tany io aza no kely indrindra, tamin’ny voalohany — satria voaforona kôngregasiôna 12 monja nisy mpitory 750 teo ho eo — dia nitombo tsikelikely izy io tao anatin’ny telo taona, ka tonga ny fizaran-tany lehibe indrindra, izay nisy mpitory 1 968, ka mpisava lalana ny 388 tamin’ireo. Hatramin’izay, dia nitombo ho telo ny fizaran-tany miteny vahiny.

Fianarana fiteny vaovao

Nanapa-kevitra samirery ny hianatra fiteny hafa ny Vavolombelona britanika sasany, mba hahafahany hizara fahamarinana ara-baiboly manome fiainana, amin’ny mpiavy mampiasa fiteny hafa. Anisan’izy ireny i Elisabeth Emmott, izay nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny faritra maro samihafa teto Angletera. Niezaka nianatra ny fiteny pendjabi aloha izy mba hanampiana ny olona tao amin’ny faritaniny. Avy eo, tamin’ny 1976, dia nanomboka nianatra ny fiteny ourdou izy, tany amin’ny faritany vaovao nanendrena azy. Avy eo dia ny fiteny goujrati. Nitady mpitory karàna sy pakistaney koa izy tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika, mba hanampiana ireo olona liana. I Clifton sy i Amanda Banks kosa nentanin’ny fanatrehany fivoriamben’ny distrika iray tany Rosia, tamin’ny 1993. Rehefa niverina nody izy ireo, dia nahazo boky fianarana teny rosianina avy tao amin’ny tranomboky teo an-toerana, nifindra nankany amin’ny faritra iray ipetrahan’ny olona miteny rosianina, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tao amin’ilay kôngregasiôna rosianina tao. Tsy mora anefa ny mahita fotoana hianarana fiteny iray, rehefa miantsoroka andraikitra tsy ara-pivavahana sady mamelona ankohonana ny tena, ary koa manana fandaharana feno amin’ny asan’ny kôngregasiôna sy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.

Noho ilay zavatra nilaina manokana teto Angletera, dia nomena fampirisihana ireo mpisava lalana naniry hanitatra ny fanompoany tamin’io fomba io. Sady tsy niala tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana izy ireo, no nianatra ireo fotopototry ny fiteny iray. Nanaraka fianarana fohy ny amin’ireo zavatra fototra tokony ho fantatra momba ilay fiteniny vaovao ny mpisava lalana sasany, mba hahazoana ny fianarana nilaina — ka nahazo vokatra nahaliana.

Nanapa-kevitra ny hisoratra anarana tamin’ny fianarana fiteny goujrati, tamin’ny 1996/97, i Christine Flynn, mpisava lalana hatramin’ny 21 taona, niaraka tamin’ny mpisava lalana fito hafa. Mpivady karàna no nampianatra azy ireo, ary tsy fanitarana ny filazana fa tena gaga be izy mivady nahita mpianatra miteny anglisy maro tonga nianatra taminy. “Nanova ny ankabeazan’ny fampianarana izy mivady mba hanampiana anay”, hoy ny fitantaran’i Christine. “Nanampy ahy hanomana fomba fampiseho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha izy ireo, ary nanatrika ny fivoriantsika sasany mihitsy aza.”

Nanomboka asa vaovao i Christine, tokony ho tamin’izay fotoana izay ihany. Nihaona tamin’ny tovovavy iray niteny goujrati izy tany am-piasany. Rehefa niarahaba azy tamin’ny teny goujrati i Christine, dia gaga ilay tovovavy, ka naniry hahafantatra ny antony nianaran’i Christine ilay fiteny. Nanazava ny antony i Christine, sady afaka nanao fanambarana tsara dia tsara, ka hoy ilay tovovavy: ‘Tsy misy fivavahana hafa hampirisika ny mpikambana ao aminy hianatra fiteny sarotra toy ny anay. Tsy maintsy ho tena manana zava-dehibe hambara ianareo.’

Nilofo nianatra ny fiteny bengali i Pauline Duncan, izay mpisava lalana koa, tamin’ny 1994. Hitany ho tena sarotra ilay izy, tamin’ny voalohany. “Imbetsaka aho no nitalaho tamin’i Jehovah tamin-dranomaso, ka nilaza taminy fa tena sarotra ilay fiteny ary ta hanajanona ilay izy aho”, hoy ny fiekeny. “Noho ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah, ary koa noho ny fahatapahan-kevitro sy ny ezaka nataoko anefa, dia tafavoaka tamin’ilay dingana sarotra aho ary faly fa tsy nanajanona ilay izy, satria mahita vokatra tsara dia tsara aho ankehitriny.” Hoy i Beverley Crook, izay mpisava lalana koa, mahakasika ny vokatry ny fianarany ny fiteny bengali eo amin’ny olona tsidihiny: “Hatramin’ny nianarako ilay fiteny, dia nisy fiovana tanteraka teo amin’ny fanompoako. Fantatr’ireo Bengali fa tsy maintsy tia azy ireo isika matoa naka fotoana nianarana ny fiteniny.”

Hoy kosa i Jennifer Charles, mpisava lalana ao amin’ny kôngregasiôna frantsay iray misy mpitsoa-ponenana maro avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo: “Nanampy ahy ny fianarana fiteny vaovao mba hahatakarana izay tsapan’ireo olona ao amin’ny faritaniko rehefa tonga ao amin’ny tany iray izy ireo, ka tsy mahay ny fiteny ao.”

Efa hatramin’ny taona maromaro no nampirisihana mpisava lalana maro, anisan’izany ny anabavy mpitovo afaka manompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa, mba hiresaka amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-taniny, raha vonona hifindra ho any amin’ny kôngregasiôna eny akaiky mila fanampiana, izy ireo. Ny sasany nifidy ny hianatra fiteny vaovao mba hanampiana ny eny amin’ny saha miteny vahiny. Eto Londres sy ny manodidina azy, dia anabavy mpisava lalana maherin’ny 100 no nanao izany. Mamokatra ny fanompoan’izy ireo eo anivon’ny olona mampiasa fiteny hafa ankoatra ny teny anglisy. Olona maro no nianatra ny Baiboly sy nanatrika fivoriana kristianina, noho ny fanampian’izy ireo.

Rehefa mbola ao ihany ny toe-tsain’ny misionera

Voatery niverina teto Grande-Bretagne ny misionera sasany, noho ny antony maro samihafa. Nanohy nanao asa tsara dia tsara anefa ny ankamaroan’izy ireo.

Rehefa avy nanao ny fanompoan’ny misionera nandritra ny 14 taona i Wilfred sy i Gwen Gooch, dia nafindra avy tany Nizeria nanketo amin’ny sampana teto Londres, tamin’ny 1964. Tsy hoe tsy afa-po tamin’ny fanompoana tany Nizeria akory izy ireo; tian’izy ireo tokoa ilay izy, fa voatendry hiantsoroka ny fiandraiketana ny sampan’i Grande-Bretagne kosa i Wilfred. Nanana toe-tsaina nijery lafy tsaran-javatra foana anefa izy ireo, ka afaka nampahery mpisava lalana maro teto Angletera mba hanao izay hahafahany hanompo bebe kokoa, amin’izay fomba mety handidian’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fandaminany. Matetika i Wilfred no nilaza hoe: “Hahafanta-javatra bebe kokoa ianao, raha misionera mandritra ny herintaona, noho ny raha mpisava lalana mandritra ny 30 taona.” Tsy te hilaza akory izy hoe hahafanta-javatra bebe kokoa momba ny Soratra Masina ianao, fa hahafanta-javatra bebe kokoa momba ny tenanao sy ny fiainana ary ny fomba hahaizanao hifanaraka amin’ny rahalahinao sy ny anabavinao.

Niverina teto Angletera i John sy i Pat Barker, izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-45, rehefa efa akaiky hiteraka. Nilofo mafy nianatra ny fiteny mandarin anefa izy ireo mba hahafahany hitory tamin’ny Sinoa tany Taïwan. Rehefa niverina teto Angletera izy ireo, dia nanohy nitady Sinoa azony nizarana ny vaovao tsara. Rehefa lehibe ka nanambady ny zanany, dia samy nirotsaka ho mpisava lalana maharitra izy mivady, ary mahita vokatra ankehitriny amin’ny fiaraha-manompo amin’ny kôngregasiôna iray manana groupe iray miteny mandarin, ao amin’ny tanànan’i Birmingham, any Midlands. Maromaro tamin’ireo olona niara-nianatra taminy no ampy fahalalana tsara ny fahamarinana, rehefa niverina tany Chine.

Manambady sy manan-janaka telo ankehitriny i David Shepherd, izay misionera taloha tany Ghana. Mbola ao amin’ny fanompoana manontolo andro ihany anefa i David. Inona no nahatonga izany? Hoy ny fanazavany: “Rehefa hitako fa tsy mba nanana firy ireo rahalahy tany Ghana, dia nanampy ahy hiezaka hanatsotra foana ny fiainako, araka izay azo atao, izany.”

Trano sahaza ho an’ny asa

Nitana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampielezana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia nandray anjara tena lehibe teo amin’ny famatsiana sakafo ara-panahy manome fiainana ho an’ny tany hafa maro, ny sampana teto Londres. Nalefa nankany amin’ny firenena maro tany Afrika ny ankamaroan’izany; ny sasany tonga hatrany Aostralia.

Nandray miandalana ny fanontana gazety tamin’ny fiteny sasany ny sampana mpanao pirinty hafa, fa nifantoka tamin’ny fanontana anglisy sy holandey ary swahili kosa ny fanontam-pirinty teto Londres. Na izany aza, dia mbola tena feno ny fandaharam-potoana niasan’ireo milina fanontam-pirinty MAN roa nampiasana lohavỳ teto Angletera. Mba hahavitana ilay asa ara-potoana, dia niasa alina isaky ny roatokom-bolana ny iray tamin’ireo milina ireo, tamin’ny 1977.

Tonga ny fotoana hanitarana ny tranon’ny Fikambanana teto Londres. Tsy ampy intsony ny toerana nanaovana ny fanontam-pirintin’ny sampana teto amin’ny Watch Tower House eto Mill Hill, izay nampiasaina nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1950. Tsy azo nitarina intsony ny orinasa teto amin’ny Watch Tower House, noho ny fameperana momba ny fanajariana tanàna. Koa neken’ny Fitambara-mpitantana ny hamindran-toerana ilay orinasa, sady nekeny koa ny hanitarana ny trano Betela tamin’izany fotoana izany, mba hipetrahan’ireo rahalahy nitombo isa hatrany, izay nilaina ho amin’ny asa.

Ela ny ela ka nahitana toerana nirefy 3 000 metatra toradroa azo natao orinasa tao Wembley, 13 kilaometatra avy eto. Antonona tsara tao amin’ilay trano misy rihana ny orinasa iray nitarina, ary koa ny efitra maromaro nipetrahana, ny lakozia iray, ny efitra fisakafoana iray, sy ny toerana fandraisana olona. Nafindra nankeo amin’io toerana io ilay orinasa tamin’ny 1980, ary nampiana milina offset Harris vaovao iray nanana fanisian-dranomainty dimy ireo fitaovana efa nisy, ka nahatratra 38 328 000 ny isan’ny gazety novokarina isan-taona, tao anatin’ny roa taona.

Tetsy an-danin’izany, dia natomboka ny asa tao amin’ny tapany vaovao iray amin’ny Watch Tower House teto Mill Hill, izay nahazoana efitra 41 fanampiny ho an’ny fianakavian’ny Betela, ary koa efitrano fisakafoana iray nitarina sy lakozia. Voantso teto amin’ny Betela i John Andrews, mpiandraikitra ny distrika efa nanao mari-trano taloha, mba hiara-miasa amin’ny ekipa tao amin’ilay tetik’asa. Nisy Vavolombelona avy tany amin’ny faritra maro teto Grande-Bretagne nanolo-tena hiasa amin’ny faran’ny herinandro. Nitohy haingana ny asa, na dia teo aza ny orampanala be sy ny maripana faran’izay ambany, nandritra ny ririnin’ny taona 1981/82. Nisy mpiasa tsy Vavolombelona maromaro, izay mpiasan’ny orinasa hafa, nampiasaina, ary niara-niasa tamin’ireo rahalahy izy ireo. Tao anatin’ny roa taona monja, dia vonona hampiasaina ilay tapany vaovao tamin’ilay trano. Tokony ho tamin’izay fotoana izay ihany koa no nitrangan’ny fisehoan-javatra nisongadina hafa iray.

Fanaovan-javatra iray goavana

Tamin’ny Jona 1982, ny Fitambara-mpitantana dia nanaiky ny fanasan’ny Komitin’ny Sampana mba hanao teto Grande-Bretagne ny fivoriana fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania isan-taona, ho an’ny taona 1983. Ho roa sosona io fisehoan-javatra lehibe io, satria ny sampana dia nikasa ny hitokana ilay tapany vaovao nitarina tamin’ny Betelan’i Londres, amin’ilay faran’ny herinandro handraisany ilay fivoriana fanao isan-taona indrindra.

Izao no tsaroan’i Dennis Loft: “Tokony ho tamin’ny valo ora maraina, dia naharay antso an-telefaonina avy tamin’i Peter Ellis tao amin’ny Betela aho. Nasainy namandrika ny De Montfort Hall ho an’ny 1 Oktobra aho.” Izy io no toerana nanaovana fivoriambe iray tsy hay hadinoina tamin’ny 2-10 Septambra 1941, fony navoaka ilay boky hoe Enfants. I Albert D. Schroeder, izay anisan’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny, no mpikarakara ny sampana teto Grande-Bretagne, tamin’izany fotoana izany, raha mbola nafotaka ny Ady Lehibe Faharoa, kanefa sahy nijoro tamin-kerim-po naneho fialanalanana kristianina ireo rahalahintsika. Ho fotoana hahafinaritra tokoa io fivoriana fanao isan-taona io, ho an’ireo be taona mbola velona, satria hahafahan’izy ireo hihaona indray amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika tamin’ny andro fahiny!

Ilay fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 1983 no fivoriana voalohany toy izany natao tatỳ ivelan’i Amerika Avaratra. Natao ny fandaharana mialoha mba hampifandraisana ny Efitrano Fivoriamben’i Dudley any Midlands amin’ilay fandaharana tao Leicester. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny rahalahy maromaro kokoa nankafy ilay fandaharana. Ireo nanompo an’i Jehovah hatramin’ny 40 taona na mahery no nasaina voalohany. Nandefasana filazana tany amin’ireo sampana nanerana an’i Eoropa, mba hanasana mpianakavin’ny Betela ho amin’ilay faran’ny herinandro. Vetivety dia takatra fa tsy ho ampy ny toerana teto amin’ny Betelan’i Londres mba handraisana ireo solontena eoropeanina rehetra ireo. Natao àry ny fandaharana fa hatsangana ny sampan-draharahan’ny filasiana iray mba hanomezana filasiana ho an’ireo mpitsidika rehetra.

Tetsy an-danin’izany, dia nifandray tamin’ny Filan-kevitry ny Tanànan’i Leicester ny Rahalahy Loft, nefa nilazana izy fa hanao dîner dansant fanaony isan-taona ny iray tamin’ny fikambanana lehibe indrindra tao an-tanàna, tamin’ilay faran’ny herinandro nanirianay hamandrihana ilay efitrano indrindra. Mbola namotopototra ihany i Dennis, ka nilazana fa hatao ny 30 Septambra, raha ny marina, ilay lanonana, saingy be loatra foana ny fanadiovana tokony hatao aorian’izay, ka izany no antony namandrihan’izy ireo ilay efitrano ho amin’ny ampitson’iny koa. “Raha izahay no hanadio ilay toerana, ho azonay fandrihana amin’ny 1 Oktobra ve izy io?”, hoy ny fanontanian’i Dennis. Nanaiky ilay mpitantan-draharaha, ary dia nisento i Dennis, nahatsiaro ho maivamaivana, na dia tsy takany firy aza tamin’izay fotoana izay fa ho asa goavana ilay izy.

Tamin’ny misasakalin’ny 30 Septambra, dia nisy rahalahy 400, voalamina ho antokony maromaro nisy mpitarika, nanomboka nanala ireo potipoti-javatra avy tamin’ilay lanonana. Nosoloan’izy ireo seza 3 000 koa ireo latabatra, mba hanomanana ilay fivoriana. Asa goavam-be ilay izy, satria tokony hovitaina tao anatin’ny adiny valo monja. Izao no tsaroan’i Dennis: “Ny lafin-javatra tsy nanam-paharoa nisongadina dia hoe tena vitsy kely tamin’ireo rahalahy ireo no nasaina ho amin’ilay fivoriana fanao isan-taona, kanefa dia zavatra ataon’izy ireo resaka mandraka androany ny nahafahan’izy ireo nandray anjara fotsiny tamin’ilay izy, eny, fa na dia ny nanomana ilay izy fotsiny aza.” Nasian’ireo rahalahy môkety ny lampihazo, ary noravahany voninkazo ny sisiny. Tamin’ny valo ora maraina, dia nadio tsy nisy pentina ilay efitrano. Zendana fotsiny ireo mpiasa tao amin’ilay efitrano. Tsapan’ireo rahalahy fa nety ho tena manokana ity fivoriana indray mandeha ity. Tsy diso fanantenana izy ireo.

Fivoriana tsy hay hadinoina

Anisan’ireo 3 671 tao amin’ilay fanasana ara-panahy tao Leicester ireo solontena niisa 693 avy tany amin’ny sampana 37 hafa. Maro tamin’ireo mpanatrika no rahalahy sy anabavy voahosotra. I Reg Kellond, avy any Telford, sy i Emma Burnell, avy any Paignton, izay samy 99 taona, no solontena be taona indrindra avy teto Grande-Bretagne. Nianatra ny fahamarinana talohan’ny Ady Lehibe Voalohany i Janet Tait, avy any Glasgow, ary koa i Mary Grant sy i Edith Guiver ary i Robert Warden, izay samy teo amin’ny faha-80 na faha-90 taonany. Efa samy ela nihetezana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah tokoa ny tsirairay tamin’izy ireo! Nandray anjara tamin’ny asa fitoriana izy ireo, nandritra ny fotoana nitomboan’ny isan’ny mpidera an’i Jehovah an’arivony vitsivitsy hanjary ho 92 320 teto Grande-Bretagne. Tsindrian-daona erỳ izy ireo niandry ny fampaherezana hatolotr’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana.

Nanao lahateny nitondra ny loha hevitra hoe “Aza Mitsahatra Manantena An’i Jehovah, mba Tsy ho Reraka Ianao”, niorina tamin’ny Isaia 40:31, i Albert D. Schroeder. Nanadinadina ireto rahalahy mahatoky ireto koa izy: i Robert Warden sy i Harold Rabson, izay samy avy any Glasgow ka ny iray natao batisa tamin’ny 1913 ary ny faharoa tamin’ny 1914; i Robert Anderson, izay mpisava lalana hatramin’ny 51 taona; ary i Ernie Beavor, izay mpiandraikitra ny fizaran-tany hatramin’ny 17 taona ary misionera ny zanany telo. Niresaka tamin-kafanam-po momba ireo taona maro nanompoany an’i Jehovah izy rehetra. Nanao lahateny nitondra ny loha hevitra hoe “Mbola ho avy ny Tsara Indrindra”, i Daniel Sydlik, anisan’ny Fitambara-mpitantana koa. Lahateny tsaroan’ireo rahalahy mandraka androany izy io.

“Rehefa naharay ilay fanasana anay izahay”, hoy ny nosoratan’ny rahalahy iray, “dia nitamberina indray tao an-tsainay ny fahatsiarovana maro be ny amin’ilay fivoriambe nahafinaritra natao tao De Montfort Hall, nandritra ny fotoan’ny ady, tamin’ny 1941. Toa fahagagana no nahavitan’io fivoriambe io teto anivon’i Grande-Bretagne rotidrotiky ny ady, ary azo antoka fa izy io no fivoriambe tsara indrindra natrehinay — kanefa ‘mbola ho avy ny tsara indrindra’. Diboky ny fankasitrahana an’i Jehovah ny fonay, rehefa vita ilay fivoriana, ka tapa-kevitra izahay ny tsy hivadika hatrany amin’ilay Mpamorona antsika sy amin’ilay Mpanjakany, dia i Kristy Jesosy, ary amin’ilay fandaminana ampiasainy amin’ny fomba mazava tsara aoka izany.”

Taorian’io fisehoan-javatra io, dia solontena maro no nanketo Londres mba hanatrika ilay fandaharam-pitokanana ny tapany nitarina tamin’ny Betela. Nampifandraisina an-telefaonina tamin’ny Efitrano Fivoriamben’i North London ireo fotoam-pivoriana, mba hahafahan’ny rahalahy maro kokoa hihaino ilay lahatenim-pitokanana nataon’i Frederick Franz, prezidàn’ny Fikambanana tamin’izany fotoana izany.

Toerana tsara kokoa ho an’ny fanontam-pirinty

Mbola tsy filamatra ihany anefa ireo tranon’ny sampana. Teto Mill Hill ny Watch Tower House, kanefa 13 kilaometatra avy eto ny orinasa tao Wembley. Nisy rahalahy 25 ka hatramin’ny 30 teto amin’ny Betela namonjy niasa tany tsy tapaka.

Taona maromaro talohan’izay, dia nomarihin’i N. H. Knorr, izay prezidàn’ny Fikambanana tamin’izany fotoana izany, fa ho toerana filamatra ho an’ny fanontam-pirinty ny tranon’ny kompania U.K. Optical, tetsy ampitan’ny Watch Tower House. Mbola tsy namidy anefa ilay trano tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny Septambra 1986 anefa, tao amin’ny fivoriana iray nalamin’ny Biraon’ny Paositra, dia ren’i Philip Harris, mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana, fa hiala tao amin’ireo toerana tao Bittacy Hill ireo, ilay kompania U.K. Optical. Avy hatrany dia nisy fandaharana natao mba hahazoana io tany nirefy roa hektara io. Vita ilay varotra, roa volana taorian’izay, ary tetsy an-danin’izany, dia vita soa aman-tsara koa ny fifampiraharahana tamin’ny fivarotana ny orinasa tao Wembley. Avy eo dia natomboka tamim-pahazotoana ny fanorenana ilay orinasa vaovao.

Voalohany aloha, dia noravana ireo trano tonta teo aoriana tao Bittacy Hill, mba hahazoana toerana hanaovana ilay orinasa vaovao. Rehefa nandroso ny fihadiana ilay toerana, dia hitan’ireo rahalahy fa nampiasaina ho toerana fanariam-pakon’orinasa ilay faritra. Rehefa afaka avokoa ireo fakofako rehetra, dia niharihary fa azo nampiana lakaly lehibe iray teo amin’ny planin’ilay trano. Mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 5 000, avy teto Grande-Bretagne sy avy tany ampitan-dranomasina, no nandany maherin’ny antsasa-tapitrisa ora teo amin’ilay tetik’asa. Orinasa tsara dia tsara iray sy garazy azo ampiasaina tsara ho amin’ireo taona ho avy, no vokatra azo.

Voafaoka tamin’ny dingana faharoa tamin’ilay fanorenana, ny fandravana ilay fitambaran-trano tontan’ny U.K. Optical izay sady birao no orinasa, mba hahazoana toerana hanaovana ny birao vaovao. Nanizingizina ny tompon’andraikitra teo an-toerana momba ny fanajariana tanàna, fa tokony hatao biriky ilay birao vaovao, mba hifanahantsahana amin’ireo trano hafa teny amin’ny manodidina. Tontosa izany tamin’ny fampiasana tapa-biriky nampidirina tao anaty takela-drindrina rihibato. Voaorina haingana ilay trano IBSA House, rehefa natsangana haka ny toerany ireo takela-drindrina 157 vita tamin’ny biriky ny ivelany. Nanontany ny mpitantana kompania iray, izay nitsidika ilay toerana tsy ela taorian’izay, hoe firy ny mpandatsa-biriky nampiasainay. “Azo antoka fa dimampolo, fara fahakeliny”, hoy izy lasa eritreritra. Nihifikifi-doha izy, tsy nino, rehefa nilazana fa vehivavy enina sy lehilahy roa monja no nanao azy rehetra!

Tamin’ny 1993, dia vonona hampiasaina ireo birao sy orinasa vaovao teo an-tampon’ny Bittacy Hill. Notokanana izy io nandritra ny fitsidihan’i Albert D. Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Tamin’izany fotoana izany, dia nisy 127 395 nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha nanerana an’i Grande-Bretagne, ka tena antom-pifaliana tokoa izany!

Fanampiana firenen-kafa

Niditra an-tsehatra ny sampan’ny Fikambanana tany Alemaina, mba hanampy tamin’ny fanontana gazety tamin’ny fiteny anglisy, nandritra ny famindrana ny fanontam-pirintinay avy tao Wembley nanketo amin’ilay toerana vaovao ato amin’ny IBSA House. Tsy ela anefa dia niasa indray ireo fanontam-pirinty teto Londres, ary gazety am-polo tapitrisany maro mirakitra fahamarinana manome fiainana no nikoriana avy teo amin’ireo fanontam-pirinty tao amin’ilay orinasanay vaovao.

Na dia lavitra an’i Afrika Atsinanana aza ny fanontam-pirinty eto Londres, dia namokatra gazety tsy tapaka ho an’io faritra amin’ny tany io efa hatramin’ny ela. Andefasana tsy tapaka gazety amin’ny fiteny anglisy sy swahili i Afrika Atsinanana. Mahazo ny anjarany avy eto Grande-Bretagne koa ireo nosin’i Caraïbes. Naka entana tany Antilles ireo sambo mpitondra akondro, ary nitatitra izany nankeo amin’ny morontsiraka andrefan’i Grande-Bretagne, efa hatramin’ny taona maro. Miverina mitondra entana ho an’ireo nosy ireny sambo ireny, ary anisan’ny entiny maimaim-poana tsy tapaka ireo gazety, satria mpanao asa soa ny Fikambanana.

Rehefa manomana conteneurs haondrana ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana, dia ampiasainy izay toerana banga mba handefasana karazan’entana ilain’ireo rahalahy any amin’ny faritra sahirana mafy ara-bola. Nisy ambin-tseza an’aliny maro avy tany amin’ny Efitrano Fanjakana nanerana an’i Grande-Bretagne, notaterina tamin’izany fomba izany nankany Liberia, Mozambika, Sénégal, Tanzania, sy Zambia. Any ireny seza ireny dia ampiasain’ireo kôngregasiôna feno hipoka olona liana, izay dodona ny hahafantatra ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa nila fanampiana vonjy rano vaky ireo rahalahintsika tany Bosnia tamin’ny 1994, noho ny ady tany, dia faly ny sampana tany Aotrisy nanome sakafo sy akanjo ary entana hafa. Namoaka didy anefa ny manam-pahefana tany Bosnia hoe tsy maintsy alefa any amina fikambanana voasoratra ara-dalàna ny entana manaraka, koa nasaina nanampy ny sampana teto Grande-Bretagne. Nomanina tamin’ny fiteny anglisy sy kroaty ireo taratasy ara-dalàna, nohamarinin’ny nôtera, ary nalefa haingana nampitondraina iraka. Efa niala tao Vienne ilay andian-kamiao nitondra ilay fanampiana, rehefa tonga tao ireo taratasy. Nandeha fiara ireo rahalahy, ka nahatratra ilay andian-kamiao teo amin’ny sisin-tany, ary nanolotra ireo taratasy ara-dalàna — ara-potoana tsara mihitsy mba hamelana ilay entana handeha!

Tamin’ny Aogositra 1998, rehefa natao ny fandaharana mba hamindrana ny fanontam-pirinty avy tany Frantsa nanketo Angletera, dia nisy mpianakavin’ny Betela 50 tao Louviers nafindra nanketo amin’ny Betelan’i Londres, mba hanampy tamin’ilay asa fanampiny. Azo natao koa ny namindra ilay milina offset lehibe sy ny fitaovana fanontam-pirinty hafa, avy tao Louviers nanketo Londres, taorian’ny fifampiraharahana fanampiny, tamin’ny 1999. Raha mbola niezaka nianatra ny fiteny anglisy ireo Betelita frantsay ary niezaka nampiasa teny frantsay sasantsasany ireo Betelita britanika, dia tafaray tamin’ny fitenenana ny ‘fiteny madion’ny’ fahamarinana ara-baiboly izy rehetra, ka afaka nanao soroka miara-milanja tamin’ny fanatontosana ireo asa manome voninahitra an’i Jehovah. — Zef. 3:9, NW.

Fanampiana ireo nosy

Tao anatin’ireo taona maro lasa, ny sampan’i Grande-Bretagne dia nikarakara ny asa fitoriana tany amin’ny nosy maromaro, any amin’ny toerana samihafa. Anisan’ny Nosy Britanika ny sasany amin’ireo nosy ireo. Manana kôngregasiôna fito miroborobo ny Nosy Wight, tandrifin’ny morontsiraka atsimo. Manana kôngregasiôna iray miroborobo misy mpitory 190 ny Nosy Man, eo amin’ny Ranomasin’i Irlandy. Manana mpitory maherin’ny 60, izay mitory tsy tapaka any amin’ireo vohitra kely mitokana, ireo nosy Hébrides, tandrifin’ny morontsiraka andrefan’i Ekosy. Samy manana kôngregasiôna mihamitombo izay manao fanambarana feno any amin’ireo olona lavitra ny kôntinanta ireo nosy Orcades sy Shetland, tandrifin’ny tendro avaratratsinanan’i Ekosy. Eny tokoa, nanitatra ny faritaniny hatrany amin’ny Ranomasina Avaratra ireo mpisava lalana ao amin’ireo Nosy Shetland, rehefa mitsidika ireo sambon’ny mpanjono sy mitory amin’ireo tantsambo eny ambony sambo.

Mikarakara ny fitoriana any amin’ireo nosy Alderney sy Sark, izay nosy kely kokoa, ireo kôngregasiôna roa ao Guernsey, iray amin’ireo Nosin’i la Manche. Nitaky ezaka be izany. Ohatra, nitoriana tsy tapaka nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1980 ireo mponina ao Sark, izay miisa 575 ankehitriny. Tojo tovolahy iray, zanaky ny anabavy kristianina iray tany amin’ireo Nosy Britanika, ny mpisava lalana iray avy tao Guernsey nitory tao Sark. Tamin’ny voalohany, dia tsy naneho fahalianana ilay tovolahy, kanefa taorian’ny fiaraha-nidinika fanampiny, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy sy tamin’ilay ankizivavy niarahany, ny mpivady Vavolombelona iray, ka natao indrindra indrindra tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-taratasy izany. Nifarimbona nandoa ny saran-dalan’ny mpisava lalana iray nalefa tany Sark sy Alderney indray mandeha isam-bolana, ireo kôngregasiôna tao Guernsey sy Jersey. Rehefa nahazo izany fanampiana sy fampianarana an-taratasy izany ilay tovolahy sy ilay ankizivavy niarahany, dia nanao fandrosoana ara-panahy tsikelikely. Mba hanolorana fanampiana fanampiny, dia nitarika fampianarana an-telefaonina ny loholona iray, tamin’ny fampiasana ilay boky hoe Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Tamin’ny Aprily 1994, dia samy vonona hatao batisa ilay tovolahy sy ilay tovovavy, izay lasa vadiny izao. Ankehitriny izy ireo dia mandray soa sy mandray anjara amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna, amin’ny alalan’ny fifandraisana an-telefaonina, rehefa tsy mamela azy ireo hita ny ranomasina mankany Guernsey ny toetr’andro. Marina tokoa fa misy ezaka lehibe atao mba hanampiana ny olona rehetra handray soa avy amin’ny vaovao tsara.

Misy kôngregasiôna telo miroborobo eo amin’ny nosy Jersey eo akaiky. Mifandimby mandray fivoriamben’ny distrika fanao isan-taona ireo kôngregasiôna ireo sy ny ao Guernsey, ka Vavolombelona eo an-toerana miisa 500 eo ho eo sy mpitsidika 1 000 eo ho eo avy any amin’ny faritra hafa eto Grande-Bretagne no tonga manatrika izany. Ankoatra izany, dia misy mpiasa an-tselika maro miteny portogey tonga eo amin’io nosy io. Izany no antony nianaran’ny mpitory sasany eo an-toerana ny fiteny portogey, mba hahafahany hizara amin’ny fomba mandaitra kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ireny mpiasa ireny.

Vao mainka lavitra be no misy ireo Nosy Malouines. Maro amin’ireo mponina 2 200 any amin’ireo nosy ireo no taranaky ny olona avy any amin’ireo Nosy Shetland sy ny faritra hafa atsy Ekosy. Niala teto Angletera ka nifindra nankany amin’ireo Nosy Malouines i Arthur Nutter sy ny vady aman-janany, tamin’ny 1980, mba handray anjara tamin’ny fitoriana tany. Roa taona tatỳ aoriana, noho ny toe-draharaha naneran-tany, dia hitan’ny sampan’i Grande-Bretagne ho toa fahendrena ny nanao fanaraha-maso ankapobe ny asa fitoriana tany. Na dia any amin’ny 13 000 kilaometatra eo ho eo avy eto Londres aza ireo Nosy Malouines, dia nahazo fitsidihana ilay kôngregasiôna kely tao. Nitohy nandritra ny 15 taona izany fandaharam-panaraha-maso avy teto Grande-Bretagne izany.

Manara-maso ny asan’ny vahoakan’i Jehovah any Malta, eo afovoan’ny Ranomasina Mediterane, koa ny sampan’i Grande-Bretagne, toy ny efa nataony ihany saika tao anatin’ireo 50 taona farany. Tao Malta ny apostoly Paoly no vaky sambo, tamin’ny diany nankany Roma, tokony ho tamin’ny taona 58 am.f.i. (Asa. 28:1). Eo akaikiny no misy an’i Gozo, nosy kely kokoa tsy mahaleo tena. Samy manana kôngregasiônan’ny vahoakan’i Jehovah miroborobo ireo nosy roa ireo, amin’izao fotoana izao.

Na dia nahazoana tatitra aza fa nisy fitoriana ihany natao tany Malta nanomboka tamin’ny taona 1936, dia efa tamin’ireo taona 1970 vao nanjary niorina tsara tany ny asan’ilay Fanjakana. Natao ny ezaka niverimberina mba hizarana ny vaovao tsara tamin’ny olona tany, saingy nangeja mafy ny fitondram-panjakana sy ny fiainan’olona manokana ny Eglizy Katolika.

Zazavavy 13 taona i Gesualda Lima, fony izy nahare voalohany ny fanazavan-dreniny tamin’ny fianakaviany ny amin’ny zavatra nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, izay mpiray tanàna tamin’izy ireo. Tamin’ny taona 1970 izany. “Rehefa nahare ilay anarana hoe Jehovah aho, dia tena manokana tamiko ilay izy”, hoy ny tsaroan’i Gesualda. (Sal. 83:18). Nanohitra ny fahalianany tamin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny ray aman-dreniny, tatỳ aoriana. Tsy kivy anefa izy, fa nanohy nianatra ny Baiboly, nanomboka nanatrika fivoriana, nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ary natao batisa. Nanambady an’i Ignazio, Italianina marisidrisika sady manana zotom-po tsy hay tohaina, izy, tamin’ny 1981. Niara-nanana tombontsoa nanompo manontolo andro tao Malta izy mivady, ary nanampy olona tokony ho 100, izay Maltais ny ankamaroany, mba hianatra ny fahamarinana.

Maltais malala-tanana sady tsara fanahy i Joe Axiak, izay mpanamboatra famantaranandro. Nahare voalohany momba ny fahamarinana tamin’ny fianakavian’ny dadatoany izy. Kanefa, noho izy tsy tia niankin-doha tamin’ny hafa tamin’izany fotoana izany, dia nandao ny fianakaviany izy ka nankany Aostralia. Rehefa nanomboka nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Joe tany, dia nampitandrina azy toy izao ny zokiny lahy iray: “Raha fantatr’i Neny fa ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ialahy, dia hahafaty azy izany, ary hodorako io efitrano io, raha mbola mankany ihany ialahy.” Nikiry ihany anefa i Joe, ary nitondra voka-tsoa izany. Ankehitriny izy sy ny fito amin’ireo rahalahiny sy anabaviny, anisan’izany ilay rahalahiny nandrahona azy, dia manompo an’i Jehovah.

Rehefa niverina tany Malta i Joe, dia nanambady, ary nanapa-kevitra izy sy i Jane vadiny fa haneho fiheverana manokana ny faritany eo amin’ny nosy Gozo. Nandeha baka nankany izy ireo, isaky ny faran’ny herinandro. Rehefa teraka anefa i David, zanany lahy, dia nanjary sarotra be ny nanao ilay dia, koa nanapa-kevitra ny hanorim-ponenana tao Gozo izy ireo. Endrey ny hafaliany rehefa nisy kôngregasiôna iray niorina tamin’ny 1984! Misy mpitory 27 any Gozo ankehitriny. Mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakanany izy ireo, ary mitory tsy tapaka ny vaovao tsara amin’ny hafa.

Raha mba tamin’ny fiteny maltais mantsy ilay izy!

Ny filazana ireo fahamarinana ara-baiboly tamin’ny fiteniny — ny fiteny maltais — dia nanampy ny maro tamin’ireo mponina anosy ireo hanao fandrosoana, raha ny amin’ny fahazoana ny fahalalana araka ny marina an’i Jehovah sy ny lalany. — Kol. 1:9, 10.

Tsaroan’i Helen Massa, iray tamin’ireo niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Gesualda Lima, ny fotoana nanaovana ireo fivoriana rehetra tamin’ny fiteny anglisy. Na dia nitaky ezaka mafy aza indraindray ny fahatakarana ny hevitr’izay nolazaina, dia fahatsiarovana mamy ho an’i Helen ny fampianarana tsara dia tsara nomena. Matetika izy no miresaka ny amin’ny fampianarana tamim-paharetana nataon’i Norman Rutherford, rahalahy anglisy iray, izay nanompo tany Malta tamin’ny faramparan’ireo taona 60 sy teo am-piandohan’ireo taona 70. Nanao zavatra tamim-pahamalinana hatrany i Norman sy i Isabel vadiny, izay samy nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-11, satria vahiny izy ireo. Ny fanirian’izy ireo dia ny hijanona tao Malta sy ny hanohana ireo rahalahy sy anabavy teo an-toerana, izay sahy nijoro tamin-kerim-po teo anoloan’ny fanoheran’ny fivavahana sy ny fianakaviana.

Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia ravoravo i Joe Micallef, mpanao gazety nahay niteny anglisy misosa tsara, rehefa nanaiky hiara-mianatra ny Baiboly taminy i Norman Rutherford. Izao no tsaroan’i Joe: “Nametraka fanontaniana aho, ary ho faly raha nahazo valiny hoe eny na tsia.” Takatr’i Norman anefa fa tsy vitan’ny mamaly fanontaniana fotsiny ny hoe mampianatra. “Niditra tamin’ny an-tsipiriany izy, ka nanazava hoe nahoana no eny na nahoana no tsia ny valiny.” Nanatanjaka ny finoan’i Joe izany.

Na dia tamin’ny fiteny anglisy aza ireo fivoriana voalohany natrehin’i Joe, dia nasaina namintina tamin’ny fiteny maltais ireo hevi-dehibe tao amin’ireo fehintsoratra tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana ny sasany tamin’ny mpanatrika, tatỳ aoriana. Tsy mora foana akory ny nanao izany. Nanapa-kevitra i Ray, rahalahin’i Joe, fa hataony an-tsoratra ny famintinany, kanefa hitany fa mora kokoa ny nandika ilay fehintsoratra manontolo. “Rehefa nahita izay nitranga i Peter Ellis, mpiandraikitra mpitety faritany nitsidika an’i Malta”, hoy i Joe nanohy ny teniny, “dia nanipy hevitra izy ny hividiananay milina fanaovana kopia.” Noho izany, dia nivoaka tamin’ny 1977 Ny Tilikambo Fiambenana voalohany tamin’ny fiteny maltais nadika tamin’ny milina fanoratana. Rehefa nila fanampiana tamin’ny fanaovana na ny fanitsiana ireo stencils nosoratana tamin’ny milina ireo rahalahy, dia iza moa no tsara hangatahana fanampiana raha tsy olona tao anatin’ny fanontam-pirinty: i Joe mpanao gazety! Hoy ny fihiakan’i Joe: “Tokony hisy olona hiantsoroka ny andraikitra hamita ity asa ity ange e!” Hoy ireo rahalahy: “Koa iza àry no hitanao fa mety?” “Tsy fantatro”, hoy i Joe, “fa vonona ny hanandrana aho.” Tamin’izany fomba izany no nanombohan’i Joe nandray anjara tamin’ny fandikana zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny maltais. Mazava ho azy fa atao amin’ny alalan’ny Komitin’ny Fanoratana ny fandaharana fandikana zavatra vita an-tsoratra, fa tsy atao amin’ny fomba tsy miankina toy izany, ankehitriny.

Nivoaka tamin’ny 1979 ny nomerao voalohany tamin’Ny Tilikambo Fiambenana natao pirinty tamin’ny fiteny maltais. Nisy ekipana mpandika teny nandray an-tanana miandalana ilay asa, ary ankehitriny, amin’ny fiteny maltais, dia mivoaka indroa isam-bolana Ny Tilikambo Fiambenana, ary atonta indray mandeha isam-bolana ny Mifohaza! Mbola nisy fandrosoana bebe kokoa vita tamin’ny Janoary 1998, nandritra ny fitsidihan’i Douglas Guest, mpiandraikitra ny zone, rehefa notokanana ireo birao vaovaon’ny fandikan-teny, ny trano misionera, sy ny Efitrano Fanjakana ao amin’ny I.B.S.A. House, ao amin’ny tanànan’i Mosta. Ny ampitson’iny, dia nisy 631 tafavory mba hihaino tatitra momba ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana any Malta.

Voaofana mba hanome fiandraiketana amim-pitiavana

Naneho fiahiana tamim-pitiavana ny vahoakany i Jehovah, ka nanambara mialoha toy izao, tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany: “Hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo”. (Jer. 23:4). Ho fikendrena izany, dia nanome loholona teo anivon’ny vahoakany i Jehovah. Tsy vitan’izany anefa fa nanome toromarika sy fampiofanana ho an’ireo loholona koa izy, mba hahafahan’izy ireo hiantsoroka amim-pitiavana ilay karazam-piandraiketana irin’i Jehovah homena ny ondriny.

Nanomboka tamin’ny 1960, dia nandray soa avy tamin’ny fampiofanana noraisiny tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ireo rahalahy nahafeno fepetra teto Grande-Bretagne, toy ny tany amin’ny firenen-kafa koa. Iray volana ny faharetan’io sekoly io teo am-piandohana, fa nahena ho tapa-bolana tatỳ aoriana. Nasaina ireo mpiandraikitra mpitety faritany, ary koa ireo nanana andraikitra tao amin’ny kôngregasiôna. Natao teto amin’ny Betelan’i Londres ireo fianarana. Avy eo, mba hahatonga ilay fampianarana ho mora raisina kokoa, dia nafindrafindra toerana ilay sekoly, ka natao tany amin’ny faritra samihafa teto Grande-Bretagne ireo kilasy. Nandray soa avy tamin’izany ireo kôngregasiôna, ary nandray soa koa ny fandaminana manontolo, nony avy eo.

Nandritra ny taona 1977, dia nisy fianarana fanampiny naharitra 15 ora natao ho an’ny loholona rehetra. Nisy fotoam-pianarana nitovy tamin’izany koa natomboka tamin’izay, saingy niovaova ny faharetany. Nasiana fiheverana tamim-pitandremana ireo foto-kevitra momba ny fomba hanahafana an’i Jehovah amin’ny maha mpiandry be fitiavana azy ireo, ny fomba hampianarana any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna, ny fomba hanatontosana ny asa fitoriana ny filazantsara ao anatin’ny kôngregasiôna tsirairay, sy ny fomba hanandratana ny fari-pitsipika marin’i Jehovah. Loholona niisa 11 453 sy mpanampy amin’ny fanompoana niisa 10 106 no nahazo fanasana hanatrika ireo fotoam-pianarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana teto Grande-Bretagne, tamin’ny 1997.

Vonona hanompo izy ireo

Ankoatra ireo loholona manompo ao amin’ireo kôngregasiôna, dia eo koa ireo lehilahy hafa mahafeno fepetra izay mpiandraikitra mpitety faritany, ka mikarakara kôngregasiôna maromaro mahaforona fizaran-tany iray sy fizaran-tany maromaro mahaforona distrika iray. Misy mpiandraikitra mpitety faritany 77 toy izany mikarakara ireo kôngregasiôna 1 455 sy fizaran-tany 70 manerana an’i Grande-Bretagne, amin’izao fotoana izao. Izy ireo dia lehilahy niezaka nameno ireo fepetra takina ara-panahy, ary tsy vitan’izany ihany fa nanao fanitsiana teo amin’ny fiainany koa mba hahafahany hanao io fanompoana io.

Tany am-piandohan’ireo taona 1970, dia nampirisika an’i David Hudson hikatsaka asa teôkratika ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Be andraikitra teo amin’ny asa fivelomany anefa i David tamin’izany fotoana izany, satria mpitantan-draharaha tao amin’ny sampan’ny kompania iray mpandika sary sy soratra izy. Tampoka teo anefa dia nanapa-kevitra ilay kompania fa tsy nilaina intsony ny asany. Izao izy dia nahatakatra ny hevitr’izay nolazain’i Lyman Swingle, anisan’ny Fitambara-mpitantana, tao amin’ny fivoriana iray tao Cardiff, atsy Pays de Galles, tamin’ny 1984. Nampitahain’ny Rahalahy Swingle tamin’ny ‘fandambolamboana ny fitaovana metaly eo amin’ny sambo iray madiva hilentika’ mantsy, ny asa eto amin’izao tontolo izao. Nanomboka nandamina ny raharahany i David sy i Eileen vadiny, mba hahafahan’izy ireo hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nafoin’izy ireo ny tranony nampiadana nisy soavaly sy tranon-tsoavaly, ary nampifantoka bebe kokoa ny fiainany tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah izy ireo. Nanomboka tamin’ny 1994, dia niantsoroka ny andraikitry ny mpiandraikitra ny fizaran-tany i David, ary miaraka aminy ny vadiny. Samy manaiky izy ireo fa mihoatra lavitra noho ny zavatra ara-nofo nafoin’izy ireo ny fifaliana entin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Rehefa nianatra ny fahamarinana i Ray Baldwin teo antenatenan’ireo taona 1970, dia nanjary niaiky mafy izy fa mendrika ny hanokanany ny fotoana rehetra azony nomena, ny fitoriana ny vaovao tsara. Ho vokany, na dia talohan’ny batisany aza, dia nolaviny ny fanolorana fisondrotana tamin’ny asany izay nitaky ny hifindrany nankany amin’ny tanàna hafa, fa nangataka asa tapa-potoana kosa izy. Nirotsaka avy hatrany ho mpisava lalana mpanampy izy, taorian’ny batisany. Tsy ela taorian’ny nanambadiany, dia nanao fandaharana ny hirotsaka ho mpisava lalana maharitra izy sy i Linda vadiny. Niala tamin’ny asany tao amin’ny fivarotana lehibe iray izy, ka nanao asa fanadiovam-pitaratra, mba hahafahany hanao bebe kokoa amin’ny asa teôkratika. Nanomboka tamin’ny Septambra 1997, dia mpiandraikitra ny fizaran-tany koa izy.

Ny rahalahy hafa kosa vonona hiantsoroka andraikitra ao amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, izay manome fanohanana amim-pitiavana ny Vavolombelona miatrika tarehin-javatra ilana vonjy aina. Tafiditra tamin’izany ny fotoana niofanana, izay vao fanombohana fotsiny. Tamin’ny Oktobra 1990, dia nisy solontena telo avy tao amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly any Brooklyn, tonga teto Angletera mba hitarika seminera iray tao Birmingham, eto Angletera. Rahalahy 152 avy tany Belzika, avy teto Grande-Bretagne, avy tany Holandy, avy tatsy Irlandy, ary avy tany Israely sy Malta, no nahazo fampianarana tsara dia tsara ny amin’ny fomba hanampiana ireo tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana mba hahatakatra ny toerana tanantsika momba ny ra. Nifarimbona ireo mpitsidika avy tany Brooklyn nampiofana ireo solontena hanazava ireo anton’ny fijoroantsika, tamin’ireo tompon’andraikitra tamin’ny hopitaly teto Londres sy tany amin’ny toeram-pitsaboana lehibe hafa.

Taorian’ny seminera faharoa natao tao Nottingham tamin’ny Febroary 1991, dia niasa nanerana an’i Grande-Bretagne ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Nisy komity 16 fanampiny notendrena ny taona nanaraka, ary nahazo fiofanana tao amin’ny seminera iray natao tao Stoke-on-Trent ireo rahalahy ireo. Mba hanitarana ny fiaraha-miasa teo amin’ny Vavolombelona sy ireo manam-pahefana, dia nisy seminera hafa koa natao tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Surrey, tamin’ny Jona 1994, ary nanolotra fampiofanana momba ny fomba hanatonana mpitsara sy mpanao asa sosialy ary dokoteran-jaza io seminera io. Nametraka fototra ho amin’ny fiaraha-miasa lehibe lavitra tamin’ireo dokotera izany. Rehefa avy nihaona manokana tamin’ny dokotera ireo rahalahy, dia azo natao ny nanao lisitra dokotera maherin’ny 3 690 teto Grande-Bretagne, izay nilaza fa vonona ny hanaja ny fomba fihevitry ny Vavolombelona momba ny ra sy ny fomba fitsaboana.

Niaiky tsy tamim-pisalasalana ny mpitari-draharahan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ao amin’ny faritr’i Luton, any avaratr’i Londres, fa fony izy nanomboka niasa tao amin’io komity io, dia tsy takany ny zavatra rehetra hotakina aminy ara-batana sy ara-pihetseham-po. Velom-pankasitrahana izy noho ny fanohanana amim-pitiavana omen’ny vadiny, izay tia lalina koa an’i Jehovah sy ireo anadahiny sy rahavaviny kristianina. Nanorina tsikelikely fifandraisana tsara dia tsara amin’ny mpiasan’ny fitsaboana sy ny fitantanan-draharaha ao amin’ny hopitaly lehibe iray ao amin’ny faritra iandraiketany, izy, ary manamora ny fiaraha-miasa amin’izy ireo izany. “Rehefa miatrika tarehin-javatra ilana vonjy aina ireo rahalahintsika, dia tsy maintsy vonona mandrakariva ny hanome fanohanana izahay”, hoy ny fanamarihany. Nanokatra ny lalana imbetsaka ho amin’ny fanambarana tsara dia tsara ny toe-tsaina enti-manao io fanompoana io.

Fanompoana any amin’ny foibe maneran-tany

Nasaina hanompo any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, ny sasany tamin’ireo rahalahy nanomboka ny asany teôkratika teto Grande-Bretagne.

Nampianarin’ny ray aman-dreniny ny fahamarinana i John E. Barr, izay teraka tatsy Ekosy, tamin’ny 1913. Na dia saro-kenatra aza izy fony zatovo, ka sarotra be taminy ny nifampiresaka tamin’olona nitoriany isan-trano, dia naharesy izany vato misakana izany izy, noho ny fanampian’i Jehovah. Nanaiky fanasana hanompo tato amin’ny Betela teto Londres izy, tamin’ny 1939. Tao anatin’ny fotoan-tsarotry ny Ady Lehibe Faharoa, dia mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny taona maromaro izy, mandra-pangataka azy hiverina tato amin’ny Betelan’i Londres, tamin’ny 1946. Nanambady an’i Mildred Willett, anabavy be zotom-po nahazo diplaoma tao amin’ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-11, izy, 21 taona taorian’ny nahatongavany voalohany ho mpianakavin’ny Betela, ary dia niara-nanompo tato amin’ny Betela izy mivady. Tamin’ny 1977, dia nasaina ho anisan’ny Fitambara-mpitantana izy. Rehefa nilazany i Mildred, dia nihevitra azy ho nivazivazy tamin’ny voalohany, kanefa tsy izany no izy. Koa nifindra nankany amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York, àry izy mivady, ny taona nanaraka. Mbola manompo amim-pifaliana any izy ireo.

Nisy hafa koa nasaina hiasa any amin’ny foibe. Anisan’izy ireo i Allan Boyle, izay teraka tao Liverpool, ary nanompo tato amin’ny Betelan’i Londres. Nanasa azy hifindra tany Brooklyn ny Fikambanana tamin’ny 1979, mba hampiasana amin’ny fomba feno kokoa ny fahaizany tamin’ny naha mpanakanto azy. Nipetraka tao Birmingham i Eric Beveridge, fony izy natao batisa tamin’ny 1949. Misionera nandritra ny 21 taona tany Portogaly sy Espaina izy sy i Hazel vadiny, ary taorian’izany dia tonga mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’ny 1981. Nanompo sivy taona tatsy Irlandy i Robert Pevy, izay teraka tao Sandwich, any Kent, any atsimo. Misionera niaraka tamin’i Patricia vadiny tany Philippines nandritra ny sivy taona fanampiny izy, ary avy eo dia lasa nanompo tany amin’ny foibe koa, tamin’ny 1981.

Fiovaovana teo amin’ny fiandraiketana ny sampana

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia nisy lehilahy maromaro ampy fahaizana ara-panahy, niantsoroka ny andraikitra hitantana ny sampan’i Grande-Bretagne. Voatery nandao an’i Angletera i Albert D. Schroeder nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ka i A. Pryce Hughes no voatendry ho mpiandraikitra ny sampana — ary izany dia tamin’ny fotoana mbola nanefany sazy tany am-ponja, noho ny fialanalanana kristianina! Notsapaina tamin’ny fomba feno ny fifikiran’ny Rahalahy Hughes tamin’ny foto-pitsipika momba ny fialanalanana kristianina. Nogadraina noho io raharaha io izy, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, ary nogadraina indroa fanampiny, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nanohy niantsoroka ny fiandraiketana ny sampana nandritra ny 20 taona mahery ny Rahalahy Hughes, noho izy nankasitraka tamim-pahatsorana ny fitarihan’i Jehovah ny fandaminany. Mbola tsaroan’ireo niara-nanompo taminy ny hatsaram-panahiny, ary tsaroan’izy ireo koa fa lehibe foana ny fitiavany ny fanompoana eny amin’ny saha, na inona na inona andraikitra niantsorohany.

Rehefa naorina tamin’ny 1976 ny fandaharana hanangana komity, fa tsy olon-tokana, mba hanara-maso ny asa isaky ny sampana, dia i Wilfred Gooch no voatendry ho mpandrindra, ary niara-niasa taminy i John Barr, i Pryce Hughes, i Philip Rees, ary i John Wynn. Efa maty ny maromaro amin’izy ireo. Nisy rahalahy hafa koa nanatevin-daharana ny Komitin’ny Sampana, ka anisan’izany amin’izao fotoana izao i John Andrews, i Jack Dowson, i Ron Drage, i Dennis Dutton, i Peter Ellis, i Stephen Hardy, i Bevan Vigo, ary i John Wynn.

Ny fifaliana entin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena

Fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa azo natao àry ny nivory tamin-kalalahana tany amin’ireo tany any Eoropa Atsinanana, taorian’ny famoretana mafy nandritra ny am-polony taona maro, dia nisy fifaliana lehibe teo amin’ny Vavolombelona naneran-tany. Fotoana nety tsara tokoa izany mba hanaovana fivoriambe iraisam-pirenena tany amin’ireo firenena tsy azo nanaovana izany hatramin’ny ela be! Niteraka fampaherezana ara-panahy, ary koa fanambarana tsara dia tsara tamin’ny besinimaro, izany. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah teto Grande-Bretagne fa nandray anjara tamin’izany.

Tamin’ny 1989, rehefa nisy Fivoriamben’ny Distrika “Fifikirana Amin’Andriamanitra” telo lehibe nalamina tany Polonina, dia nisy solontenan’ny firenena 37, fara fahakeliny, nirohotra namonjy ireo fotoana nanan-tantara ireo. Nisy 721 avy teto Grande-Bretagne anisan’ireo solontena ireo. Nahakasika ny toe-tsaina naseho tao amin’ilay fivoriambe tao Poznań, any Polonina, dia izao no tsaroan’i David sy i Lynne Sibrey: “Tena niavaka ilay izy!” Hoy koa izy ireo: “Mbola tsy nahita rivo-piainana toy izany mihitsy izahay. Endrey ny hafaliana afaka niharoharo tamin-kalalahana tamin’ny rahalahinay an’arivony maro avy tany Rosia sy Eoropa Atsinanana, izay tsy afaka niara-nivory afa-tsy vitsivitsy ihany teo aloha! Renay fa tonga nanatrika teo ny sasany, na dia saika namoizany ny ainy aza izany. Nampihetsi-po be ilay izy, ho azy ireo — ary koa ho anay!” Ny taona nanaraka, rehefa nesorina ny fisavana teo amin’ny sisin-tany nampisaraka an’i Alemaina Atsinanana sy i Alemaina Andrefana, dia nisy 584 avy teto Grande-Bretagne anisan’ireo mpanatrika feno hafanam-po tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray tao Berlin, izay tena fankalazana fandresena tokoa. Tamin’ny 1991, rehefa nisy 74 587 nirohotra nankao amin’ny Kianjaben’i Strahov, ao Prague, any amin’ny Repoblika Tseky ankehitriny, dia nisy 299 avy teto Grande-Bretagne, ravoravo fa tonga tany. Nanana solontena betsaka koa i Grande-Bretagne tamin’io taona io ihany, teo anivon’ireo Vavolombelona avy tany amin’ny firenena 35 tafavory tao Budapest, any Hongria. Tamin’ny 1993, dia nisy solontena 770 avy teto Grande-Bretagne tao amin’ilay fivoriamben’ny distrika tao Moscou, any Rosia, ary nisy 283 nanatrika tao Kiev, any Ukraine. Fotoana nanan-tantara izy rehetra ireny, ka tsy hay hadinoina na oviana na oviana.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hafa koa natrehin’ny solontena britanika tany Afrika, Amerika Latina, Amerika Avaratra, ary tany Orient. Mihamafy ny fatoram-pitiavana kristianina, noho ny fiarahan’ny Vavolombelona akaiky, mandritra ireny fotoana ireny. Izany no porofo azo tsapain-tanana fa avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo, araka ny voambara mialoha ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Apok. 7:9, 10.

Fiainana maro samihafa teo aloha

Nanana fiainana maro samihafa teo aloha ireo nandray tsara ny hafatra ao amin’ny Baiboly ka tonga Vavolombelon’i Jehovah, atỳ amin’ireo Nosy Britanika. Noho ny fitiavany an’i Jehovah, dia maro no nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany, mba hahafahany hanompo azy amin’ny fomba feno.

Tonga teto Angletera tamin’ny taona 1960 i Donald Davies, teratany jamaikanina, izay mpively amponga matihanina tao amin’ny tarika jazy. Nahazo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izy tamin’ny 1969, kanefa 13 taona tatỳ aoriana izy vao tena liana tamin’ny Baiboly, fony nisy mpivady Vavolombelona niresaka taminy momba ny maha zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. (Ezek. 38:23; Joela 3:5). Nanatrika fivoriamben’ny distrika iray natao teny akaiky izy sy ny namany iray mpitendry zavamaneno, tamin’ny faramparan’io taona io. Tsy ela izy dia nanomboka nampihatra izay nianarany. Tsy niresaka tamin’iza na iza akory izy, nefa dia nahatakatra fa ho sarotra aminy ny handroso eo amin’ny sehatry ny mozika, no sady hanompo an’i Jehovah. Koa namidiny ireo zavamanenony, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, tamin’ny 1984, ary mbola manana io tombontsoa io ankehitriny.

Manamboninahitra tao amin’ny Royal Air Force (Tafika Ana Habakabaka Britanika) i Tony Langmead, fony ny vadiny nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahataona an’i Tony ‘tsy tamin’ny teny’ ny fitondran-tenan’ny vadiny tonga Kristianina. (1 Pet. 3:1, 2). Niala tao amin’ny tafika ana habakabaka izy, mba hanaraka fomba fiaina tia fihavanana sy ho tonga mpanompon’i Jehovah. — Isaia 2:3, 4.

Notezaina tao amin’ny finoana anglikanina i Frank Cowell, kanefa nanomboka nitady ny fahamarinana tany amin’ny fivavahana hafa izy, rehefa nandeha ny fotoana. Nitarika ho amin’ny fianarany ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsidihany indray mandeha ny Efitrano Fanjakana. Mpampianatra toe-karena eto Londres no asany ankehitriny. Rehefa mandamina seminera amin’ny takariva fanaovana fivorian’ny kôngregasiôna anefa ny oniversite ampianarany, dia asehony amin’ny fanapahan-keviny fa Vavolombelon’i Jehovah izy, alohan’ny zava-drehetra.

Tao amin’ny Royal Ballet (tarika mpanao dihy mirindra) i Susannah, fony izy sendra mpiara-mianatra taminy iray taloha, ka nanjary nianatra ny Baiboly. Tonga Vavolombelona vita batisa izy, ka nanapa-kevitra ny hampihena ny fotoana nanaovany dihy mirindra. Tonga mpampianatra dihy àry izy mba hananany fotoana ho amin’ny asany vaovao, dia ny asan’ny mpisava lalana, ka nampifantoka ny fiainany tamin’ny fanompoany. Manambady izy ankehitriny, ary miara-mianatra ny fiteny mandarin izy sy i Kevin Gow vadiny, mba hizarana ny vaovao tsara amin’ireo mponina sinoa mihamitombo isa ao Liverpool.

Vavolombelona i Christina, rahavavin’i Rene, saingy nihevitra i Rene fa tsy nisy heviny ny fivavahana, koa tsy nety nihaino izy. Tatỳ aoriana anefa, rehefa niasa teto Londres izy, dia nitsidika matetika ny British Museum. Fony izy nitsidika tao, indray mandeha, dia nanjary liana be tamin’ny fanazavan’ny mpitari-dalana iray momba ny fifandraisan’ny Baiboly sy ny zavatra maro samihafa narantiranty tao amin’ilay tranombakoka izy. Tadidiny ny sasany tamin’ireo zavatra nandraman’ny rahavaviny nolazaina taminy. Tsy ela dia tonga Vavolombelona koa i Rene Deerfield.

Nanefa sazy tany am-ponja i Andrew Meredith, fony izy nanomboka nianatra ny Baiboly. Nitarika ho amin’ny fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiainany izany. Nanambady Vavolombelona pendjabi izy, taorian’ny nanafahana azy, ary miara-manompo eo anivon’ny olona miteny pendjabi ao amin’ny faritra atsinanan’i Londres izy mivady.

Teraka tany Kenya i Daksha Patel, izay manana ray aman-dreny hindoa, ary Hindoa nafana fo koa izy. Rehefa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona tao Wolverhampton, eto Angletera, anefa izy, dia takany fa ny fahamarinana no nianarany. Rehefa ampy taona mba handray fanapahan-kevitra samirery teo amin’ny fiainana izy, dia natao batisa ary tonga mpisava lalana nony avy eo. Anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Londres izy sy i Ashok vadiny ankehitriny. Nifandray tamin’io fanompoana tato amin’ny Betela io, dia nanao dia lavitra nankany Inde sy Népal ary Pakistan izy ireo, mba hanampy tamin’ny fandikana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly.

Manohy manao fanambarana izy ireo

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah mahita olona maro kokoa manaiky ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, isan-taona. Nanomboka tamin’ny 1972, dia nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny Vavolombelona narisika tamin’ny fitoriana teto Grande-Bretagne, ka mitontaly ho 126 535 izy ireo ankehitriny.

Olona mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ve ireo maneho fahalianana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly, ankehitriny? Misy vitsivitsy toy izany, ary noho ny fampitomboan’ny Vavolombelona ny asany any amin’ireo toeram-piasana sy eny amin’ny arabe no ahitana azy ireny. Nahita vehivavy iray liana be, izay mpandray olona ao amin’ny kompania iray, ny Vavolombelona iray sambany vao nitory tao amin’ny faritany be toeram-piasana. Nitarika haingana ho amin’ny fianarana ny Baiboly ny fiverenana nitsidika an’ilay ramatoa, roa andro tatỳ aoriana, ka nanome fahafahana azy hanapa-kevitra raha handeha amin’ny lalan’i Jehovah izy, na tsia. Mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ilay ramatoa talohan’izay, satria niasa nandritra ny herinandro izy, ary mazàna no tsy tao an-tranony tamin’ny faran’ny herinandro.

Matetika kokoa no niova ny tarehin-javatra teo amin’ny fiainan’ny olona sasany ka nahatonga azy hihaino — angamba noho izy nanambady, niteraka, nihantitra, na narary tampoka. Izao izy ireo dia maniry mafy hahazo valin’ireo fanontaniana nailiny fotsiny tamin’ny lasa.

Tamin’ny Aogositra 1995, ohatra, dia nandray an-tsitrapo ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, ny vehivavy iray 85 taona, izay notezaina tao amin’ny fivavahana batista. Imbetsaka izy no nametraka io fanontaniana io, saingy tsy nahazo valiny mahafa-po. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy. Rehefa nahafantatra ireo zavatra takin’Andriamanitra izy ary nanjary niaiky ny amin’ny fiahian’Andriamanitra amim-pitiavana, dia takany fa nila nanao fiovana teo amin’ny fiainany izy. Nitsahatra tsy nifoka sigara izy, na dia fahazarany hatramin’ny 60 taona teo ho eo aza izany. Nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kôngregasiôna teo an-toerana i Catherine May, ary vonona ho amin’ny batisa kristianina izy, tamin’ny Septambra 1997. Tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray, rehefa iny izy niomana hiroboka tao anaty rano iny, dia nahamarika mpilatsaka hatao batisa hafa iray, izay vehivavy zokiolona toa azy koa. Akory ny hagagany fa i Evelyn rahavaviny, izay nipetraka tany an-tanàna hafa, izy io! Tsy nisy nahafantatra izy mirahavavy hoe samy nianatra ange izy ireo. Nirotsaka ny ranomasom-pifaliana, noho ireo zokiolona malala ireo tonga mpirahavavy ara-panahy, tafaray tamin’ny alalan’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah, izao.

Nikorontan-tsaina mafy noho izay nitranga tato ho ato tao amin’ny fiangonany ny olona sasany, izay mandray an-tanan-droa ny Vavolombelona. Tamin’ny 1939 no nahazoan’i Maurice Haskins voalohany zavatra vita an-tsoratra avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpanohana nafana fo ny Eglizin’i Angletera sady anisan’ny filan-kevitry ny fiangonana teo an-toerana anefa izy. Enina amby dimampolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia niresaka tamin’ny zaobavin’i Maurice ny Vavolombelona iray nitory isan-trano. Nasain’ilay ramatoa niverina ilay Vavolombelona mba hitsidika an’i Maurice, izay nanana fanontaniana maro momba ny Baiboly, araka ny filazany. Rehefa notsidihina i Maurice, dia nangatahiny avy hatrany ny hampisehoan’ilay Vavolombelona taminy andinin-teny manazava ny fomba fiheveran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy sy ny fanamasinana vehivavy ho presbytera. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tsy nanao fiovana avy hatrany izy. Tatỳ aoriana anefa, tao amin’ny fivoriana iray niaraka tamin’ny eveka, ny zavatra nianarany dia nanosika azy hijoro mafy tamin’ny heviny momba ny fanendrena vehivavy iray ho vikera. (1 Tim. 2:12). Tsy ela izy dia niala tamin’ny Eglizy Anglikanina, nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary vonona hatao batisa izy teo amin’ny faha-84 taonany.

Nahazo fanampiana tamin’ny Vavolombelona naneho fahaiza-manavaka sy fikirizana, ny olona hafa. Rehefa nilaza tena ho “tsy mino an’Andriamanitra sy mpandala ny maha olombelona” ny vehivavy iray, dia nanontany azy tamim-pahalalam-pomba i Jacqueline Gamble hoe inona no ninoany. Hoy ny navalin’ilay ramatoa: “Ny olona sy ny fiainana.” Be natao ilay ramatoa tamin’izay, koa namela taratasy mivalona ho azy ilay anabavintsika ary nampanantena fa hiverina. Niaraka tamin’i Martyn vadiny i Jacqueline, rehefa niverina nitsidika ilay tokantrano, ary nasiany firesahana indray ny amin’ilay tenin’ilay ramatoa hoe ‘olona sy fiainana’. Rehefa fantatr’izy ireo fa nitovy hevitra tamin’ilay ramatoa tompon-trano ny vadiny antsoina hoe Gus, sady mpanao asa sosialy, dia nanao fandaharana ny hihaona tamin’ilay rangahy izy ireo. Nanomboka nianatra ny Baiboly ilay ramatoa, izay antsoina hoe Christine, ary nandroso hatramin’ny batisa. Tsy nety nankany amin’ny Efitrano Fanjakana anefa i Gus. Na izany aza, dia tena nahamarika izy fa hatramin’ny nanombohan’i Christine niara-nianatra tamin’ny Vavolombelona, dia nanjary nanaja tsara ireo zanany rehefa nihalehibe, tsy tahaka ny zatovo hafa maro.

Nitondra fiovana lehibe ho an’i Gus ny taona 1978. Nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena iray tao Édimbourg, atsy Ekosy, dia naneho fitiavana nandray vahiny tamin’ny antoko-mpitory iray nitory teo amin’ilay faritra nisy azy ny vadiny, ka nandroso kafe ho azy ireo. Nisy anisan’ny Fitambara-mpitantana tamin’ireo mpitory ireo. Talohan’ny nandaozany ny trano, dia nanasa ny lovia nampiasainy izy ireo. Rehefa nody i Gus ny harivan’iny, dia nafana fo erỳ i Christine nitantara taminy momba ireo mpitsidika tsy nampoizina. “Tsy azoko eritreretina izany hoe kardinaly hitsidika antsika ka hanasa lovia izany!”, hoy ny fanamarihan’i Gus. Tsy ela tatỳ aoriana, fony izy ireo nanao vakansy tany Frantsa, dia niaraka tamin’ny fianakaviany nankany amin’ny Efitrano Fanjakana iray i Gus. Nampiaiky volana azy ny fandraisana azy ireo an-tanan-droa sy ny fitiavana naseho taminy. Tsy ela dia takany fa eo anivon’ny tena mpianatr’i Kristy Jesosy ihany no hahitany ny fitiavana toy izany. (Jaona 13:35). Tsy ela izy dia nanomboka nianatra, rehefa tafaverina tao Édimbourg, ka nahazo valiny nahafa-po tamin’ireo fanontaniana nanelingelina azy, ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah.

Mazava ho azy fa raha tsy maneho fahalianana firy, na tsy maneho fahalianana mihitsy, ny olona ao amin’ny faritany, dia hitaky fiaretana sy toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hanohizana hitsidika ireny olona ireny. Ho mora kivy ny tena, rehefa avy nisetra fandavana mafy sy tsy firaharahana, nandritra ny ora maro. Ahoana no fomba iatrehan’ny Vavolombelona izany? “Olana lehibe tokoa ny tsy firaharahana”, hoy ny fieken’i Eric Hickling, avy ao Louth, any Lincolnshire. Manampy azy haneho fikirizana ny fisaintsainana momba ny ohatra tamin’ny lasa. “Mivavaka mafy matetika aho. Mieritreritra an’i Mosesy sy i Jeremia ary i Paoly aho, ary mazava ho azy fa mieritreritra an’i Jesosy koa.”

Roa amin’ireo lafin-javatra lehibe indrindra mahatonga ny fitomboana hita, ny fikirizana amim-pahatokiana sy ny fitahian’i Jehovah. Namonjy faritany iray nanendrena azy tao amin’ny tanàna iray i Frank sy i Rose Macgregor, 39 taona lasa izay. Mpivavaka be tsy nandray ny Vavolombelon’i Jehovah, ny olona tao amin’io tanàna io. Ahoana no niheveran’izy ireo io fanendrena io? Izao no tsaroan’i Frank: “Saro-kenatra be aho, ary nahatsiaro ho tsy nahay mihitsy. Nihevitra ilay izy ho fanendrena avy tamin’i Jehovah anefa izahay mivady.” Nanampy azy ireo hihazona toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra izany. “Nivavaka izahay mba hisian’ny olona teo an-toerana hanaiky ny fahamarinana.” Vokatr’izany fanompoana tamim-pahatokiana izany, dia misy kôngregasiôna iray voaforona mpitory 74 any ankehitriny, ka nianatra ny fahamarinana tao amin’io tanàna io ny androatokon’izy ireo. Tsy mirehareha ny amin’izany ry Macgregor; velom-pankasitrahana fotsiny izy ireo fa azon’i Jehovah nampiasaina. — 2 Kor. 4:7.

Vavolombelona efa hatramin’ny ela izay manohy mandray anjara amin’ny fitsidihana kôngregasiôna i Geoff Young, ary hoy ny fanazavany: “Matetika aho no manontany ireo rahalahy hoe nanao ahoana ny fanompoany tamin’iny andro iny.” Raha misy manome valin-teny manakivy, dia asainy mieritreritra ny amin’ny zavatra tsara maro notontosain’izy ireo. Izao no ampahatsiahiviny azy: “Niandany tamin’i Jehovah isika, nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenantsika, niara-niasa tamin’ilay ‘anjely manidina eo afovoan’ny lanitra’, nandray anjara tamin’ny fampirisihana ny hafa hahafantatra an’i Jehovah, ary nanome fampitandremana tamin’ny alalan’ny fitoriana nataontsika.” Avy eo izy dia manjohy hevitra hoe raha nanatontosa izany rehetra izany izy ireo, ahoana no hilazany fa tsy nahita vokatra firy izy ireo? “Arakaraka ny tarehin-javatra misy azy sy izay ao am-pony ny fihetsiky ny olona”, hoy i Geoff manohy ny teniny. “Ny zava-dehibe dia ny fahatokiantsika amin’ny fanaovana fanambarana sy ny firesahana ny vaovao tsara.” — Apok. 14:6; 1 Kor. 4:2.

Mifaly noho ny “fitahian’i Jehovah”

Maro eto Grande-Bretagne no Vavolombelon’i Jehovah narisika efa hatramin’ny 20, 40, 50 taona, na mihoatra. Ahoana no fiheveran’izy ireo ny fanompoana ataony? Hoy ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 10:22: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” Vavolombelon’i Jehovah an’aliny maro eto Grande-Bretagne no afaka manome porofon’ny maha marina izany, araka izay hitan’ny tenany mihitsy.

“Ny tombontsoa lehibe indrindra nankinina tamintsika olombelona.” Izany no fomba ilazalazan’i Cornelius Hope, avy any Basingstoke, ny fanompoana kristianina. Dimy amby fitopolo taona izy izao, ary nandray anjara tamin’ny fanompoana efa hatramin’ny 50 taona. Efa ho 50 taona lasa izay no nanaovana batisa an’i Anne Gillam, izay manambady mpiandraikitra ny fizaran-tany; nolazainy ho “fomba anehoany ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Zanany” ny fanompoany.

Hoy ny fanazavan’i Dennis Matthews, natao batisa tamin’ny 1942: “Hitako fa toy ny sakafo ny fanompoana — manome tanjaka ara-panahy. Mahafa-po ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, na mihaino ny olona na tsia.” Hoy ny teny nanampin’i Mavis vadiny: “Efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny fahatanorako aho, ka mihevitra fa tsy mety hisy fiainana tsara kokoa noho izany.”

Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelona efa hatramin’ny ela ny olona sy ny fandraisan’izy ireny? Hoy i Muriel Tavener, izay nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny 40 taona mahery: “Mila antsika bebe kokoa noho ny hatramin’izay ny olona, satria tsy mahazo ny tena fanampiana ara-panahy avy amin’ny loharano hafa izy ireo.” Ary inona no mitranga rehefa manaiky izany fanampiana izany izy ireo? Hoy ny nolazain’i Anthony, vadiny: “Ny fahitana olona manaiky ny fahamarinana ka manao fiovana eo amin’ny fiainany, dia fahitana fahagagana vokatry ny fitaoman’ny fanahin’i Jehovah ny olona hanolotra fanompoam-pivavahana aminy.”

Mitondra fahafaham-po ny fizarana amin’ny hafa ilay fanantenana izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa manao jery todika ireo taona maro nanompoany i Fred James, mpiandraikitra ny tanànan’i Plymouth, any Devon, sy ny vadiny, dia mahisa olona maherin’ny 100 nampiany handroso hatramin’ny batisa. Maro amin’izy ireny no loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpisava lalana, ankehitriny. Nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana ireo zanany telo lahy, rehefa nahavita ny fianarany, ary loholona ankehitriny. Misionera sady anisan’ny Komitin’ny Sampana any Pakistan ny iray amin’izy ireo, dia i David, izay nahazo diplaoma tany Gileada. Novalian-tsoa be dia be tokoa ny fiainan’ny Rahalahy sy ny Anabavy James!

Namela Vavolombelona maro teto Grande-Bretagne hahita vokatra tsara dia tsara teo amin’ny fanompoany, ireo taona maro nanompoany tamim-pahatokiana. Nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny 50 taona mahery i Richard sy i Hazel Jessop, ka tao anatin’ny fanompoana manontolo andro ny ankamaroan’izany. Nanampy olona maro hanana ny tombontsoa hanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo, ary sarobidy amin-dry Jessop izy rehetra ireny. Mbola fahatsiarovana miavaka foana anefa ny niarahany nianatra tamin’i Jack sy i Lyn Dowson. Fitsidihana tamim-pisakaizana nifanaovan’olona mpiray fiaviana no nanombohan’ilay izy. (Samy avy any amin’ny faritra avaratratsinanana i Hazel sy i Jack.) Tsy ela dia nanjary fianarana ny Baiboly ilay izy. Nisy fotoana anefa nilazan’i Jack, rehefa nandeha ny fotoana, fa tokony hampiato kely ny fianarana izy ireo. Hoy ny navalin’i Richard: “Tsia, tsy mahazo manao izany ianareo. Tsy maintsy mamita ilay boky aloha ianareo, ary avy eo dia mahazo manajanona ilay izy, raha izany no tianareo.” Tsy ‘nanajanona ilay izy’ anefa izy ireo, fa nanolo-tena ho an’i Jehovah kosa, nirotsaka ho mpisava lalana, ary tonga mpianakavin’ny Betela. Anisan’ny Komitin’ny Sampana i Jack ankehitriny.

Nitondra fifaliana manokana ho an’ny hafa ny fomba nandraisan’ny tanora sasany ny fahamarinana ara-baiboly. Nahita fifaliana manokana i Robina Owler sy i Sydney vadiny, mpisava lalana any amin’ny faritr’i Dundee atsy Ekosy, rehefa nahita ny fandrosoan’i Paul Kearns, izay nanomboka nankao an-tranon’izy ireo mba hianatra ny Baiboly, fony izy 12 taona. Tsy ela dia namaka tao am-pon’i Paul ny fahamarinana, saingy nandrara azy tsy hianatra ny Baiboly intsony ny rainy, koa niandry ho lehibe sady hianatra tao amin’ny oniversite any Aberdeen izy, vao nanohy indray ny fianarany Baiboly. Nanao fandrosoana haingana izy. Taorian’ny batisany, dia nataony ho tanjona ny asan’ny mpisava lalana. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy, tamin’ny 1992. Raha mbola loholona tao Sheffield izy, dia nilofo nianatra ny fiteny espaniola, ary voatendry ho misionera tany Panama izy, tamin’ny 1998.

Maherin’ny 10 000, eto Grande-Bretagne, no ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Sarobidy amin’izy ireo ny fitahiana entin’io fanompoana io. Ohatra, nivady valo taona mahery i Bill sy i June Thompstone, ary mpisava lalana, rehefa niteraka ny zanany voalohany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia telo vavy ny zanak’izy ireo. Niezaka nihazona ny fanompoan’ny mpisava lalana ho eo amin’ny toerana lehibe teo amin’ny fiainam-pianakaviany izy ireo. Feno ny fandaharam-potoanany, kanefa nanampy azy ireo hahomby ny fiarahan’izy mianakavy nanao zavatra. “Nanokana fotoana hiarahana tamin’ireo zanakay vavy foana izahay”, hoy ny fanazavan’i Bill. “Rehefa zatovo izy ireo, dia tsy niova izany. Rehefa ta handeha hikorisa teo ambony ranomandry, hilalao baolina akorisa, hilomano, na hanao lalao baolina hafa, izy ireo, dia nandeha koa izahay.” Efa samy manambady izy telo mirahavavy izao, ary mpisava lalana maharitra. Samy manana ilay antsoin’i Bill hoe “ny fomba fiaina tsara indrindra” izy ireo.

Rahalahy 77 (manambady ny ankamaroany) no mpiandraikitra mpitety faritany eto Grande-Bretagne, amin’izao fotoana izao. Fiainana feno zavatra atao ny azy ireo, isan-kerinandro isan-kerinandro, isan-taona isan-taona. Nandray anjara tamin’io fanompoana io Geoff Young, mandra-pahatongany ho voatery hanao fanitsiana teo amin’ny fiainany, noho ny fandrosoan’ny taona sy ny tsy fahasalamana. Tsy nanana afa-tsy valizy izy sy i Vee vadiny, sady niovaova trano nipetrahana isan-kerinandro. Ahoana no fiheveran’i Vee an’izany fiainana izany? “Tsy dia tena sarotra ilay izy”, hoy ny navaliny, “satria tafaraka tamin’ny fianakavianay kristianina izahay, isaky ny nitsidika kôngregasiôna. Nahatsapa ny fitiavan’ny fianakavian’ny mpirahalahy izahay, na taiza na taiza nalehanay. Tsy manao afa-tsy ny manome anay fiainana ampoky ny soa ny fanendrena na inona na inona omen’i Jehovah anay.” Mankafy ny ankehitriny izy ireo, no sady miandrandra mafy izay tahirizin’ny hoavy koa. Hoy ny fanazavan’i Geoff: “Efa hifarana ity fandehan-javatra ity izao. Azo antoka izany. Aorian’izay, dia hanana fanantenana mahatalanjona ny handray anjara amin’ny famerenana ity tany ity ho paradisa isika. Ireo fampianarana ny Baiboly hatao raha vantany vao manomboka ny fitsanganana amin’ny maty, dia tena asa goavana tokony hotontosaina!” Hoy ny teny nanampin’ny vadiny: “Mahafinaritra be ny mahafantatra fa tsy misy na inona na inona mahatohitra an’i Jehovah.”

Fanohanana ny “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”

Fotoana nampientam-po tokoa, tamin’ny Jolay 1998, ny nanaovana indray niaraka fivoriambe iraisam-pirenena sivy nanasongadinana ilay foto-kevitra hoe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, teto Grande-Bretagne — tao Édimbourg, Leeds, Manchester, Wolverhampton, Dudley, Norwich, Londres, Bristol, ary Plymouth. Nisy solontenan’ny tany maherin’ny 60 tonga nanatrika izany. Tsy natao tamin’ny fiteny anglisy ihany ny fandaharana manontolo, fa tamin’ny fiteny frantsay sy espaniola ary pendjabi koa. Natao tamin’ny fiteny grika ilay fivoriambe, ny faran’ny herinandro nanaraka.

Nisy rahalahy efatra anisan’ny Fitambara-mpitantana — i John Barr, i Theodore Jaracz, i Albert D. Schroeder, ary i Daniel Sydlik — tonga nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika teto Grande-Bretagne, ary nandritra ny lahatenin’izy ireo, dia nampifandraisina an-telefaonina avokoa ireo toerana nanaovana fivoriambe. Mbola nampientam-po koa ny nahatongavan’ireo misionera, izay manompo any an-tany hafa amin’izao fotoana izao. Tamin’ireo an-jatony maro avy teto Grande-Bretagne nirahina ho misionera, dia 110 no tonga nanatrika ireo fivoriambe ireo. Ny zotom-pony sy ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena dia nandrisika an’ireo rehetra nandre azy nadinadinina tamin’ilay fandaharana.

Nanohina lalina ny fon’ireo mpanatrika, ary na dia ny an’ny ankizy aza, ny zavatra hita sy re nandritra ireo fivoriambe ireo. Nanoritra mazava tsara ny atao hoe fomba fiaina araka an’Andriamanitra ilay fanapahan-kevitra lany nandritra ny fotoam-pivoriana farany tamin’ilay fivoriambe, ka tapa-kevitra ny hanaraka izany fomba fiaina izany ny rehetra. Taorian’ilay fandaharana, dia nilaza toy izao ny zazalahy kely iray efa-taona, zanaky ny mpivady Vavolombelona avy ao Darlington: “Neny a, tena tiako i Jehovah. Tiako be ianao sy i Dada, kanefa tiako kokoa i Jehovah.” Rehefa nanontaniana ny antony izy, dia nohazavainy fa satria i Jehovah nanome antsika ny fanantenana Paradisa sady naniraka ny Zanany ho faty ho antsika, “koa tsy maintsy tia azy bebe kokoa aho”.

Rehefa nifarana ilay fandaharana tao Édimbourg sy teto Londres, dia nifanofahofa mosara ireo solontenan’ny tany maro samihafa, ary nanao tehaka nirefodrefotra naharitra ela be nony avy eo. Na dia rehefa vita aza ilay fandaharana, dia maro no mbola nanohy niredona hiran’ilay Fanjakana, ho fiderana an’i Jehovah tamim-pahatsorana.

Ny fanambarana natao

Nanaovana fanambarana be dia be teto Grande-Bretagne. Nanomboka izany tamin’ny 1881, fony nisy taratasy mivalona ara-baiboly ana hetsiny maro nozaraina tany amin’ireo tanàn-dehibe, nandritra ny herinandro vitsivitsy monja. Nanomboka namoa ny voa sasany nafafy tamin’izany fotoana izany. Naseho tany amin’ny tanàna 98 tamin’ny mpanatrika nitontaly ho 1 226 650 ny “Photo-Drame de la création”, nandritra ny enim-bolana, tamin’ny 1914. Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy kôngregasiôna 182 teto Grande-Bretagne. Nandritra ireo taona 1920 sy 1930, dia nihanahery ny fanambarana, satria nihanitombo ny isan’ireo nifanerasera tamin’ny kôngregasiôna izay nandray anjara tamin’ny fitoriana isan-trano, ka ny tenany mihitsy no nanao fanambarana tamin’ny tompon-trano. Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy 650 746 716 ora fanampiny natokana tamin’ny fanompoana teto Grande-Bretagne, nisy fiverenana mitsidika 297 294 732 natao tamin’ny olona liana, ary boky sy bokikely 74 105 130, niampy gazety 567 471 431, no voapetraka tamin’ny besinimaro. Mitsidika ny olona any an-tokantranony, indroa ka hatramin’ny intelo isan-taona, amin’ny antsalany, ny Vavolombelon’i Jehovah eto Grande-Bretagne.

Be mpahalala aoka izany ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fitoriany ny filazantsara isan-trano, hany ka tompon-trano maro, raha vao manokatra ny varavarany ka mahita olona miakanjo tsara, no manontany avy hatrany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ve ianareo?”

Tany henika ny fahalalana an’i Jehovah

Tamin’ny 1891, dia hitan’i C. T. Russell ho saha “vonona sady miandry fijinjana” ny saha britanika. Miharihary fa efa hifarana ny asa fijinjana atao mandritra ny fifaranan’ity fandehan-javatra ity. Ary vokatra tsara dia tsara tokoa no azo avy amin’izany! Tamin’ny taona 1900, dia 138 monja ny Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany) teto Grande-Bretagne, ka Kristianina voahosotry ny fanahy ny ankamaroany. Avo 910 heny noho izany ny isany ankehitriny. Tamin’izany fotoana izany, dia vao nanokatra ny biraon’ny sampany voalohany atỳ ivelan’i Etazonia, ny masoivoho ara-dalàna nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly. Misy sampana 109 ankehitriny maneran-tany. Misy sampana 24 any amin’ireo tanin’i Amerika. Misy 25 fanampiny atỳ Eoropa. Misy 19 ao amin’ny kôntinantan’i Afrika. Any Azia sy ireo nosy maro samihafa eto an-tany kosa misy sampana 41. Miara-miasa amin’ireo sampana ireo ny Vavolombelona 5,9 tapitrisa, ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny anaran’i Jehovah sy ny fampahafantarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakany, izay tantanan’i Jesosy Kristy. Ary tapa-kevitra ny tsy hitsahatra hanao fanambarana izy ireo, mandra-pilazan’Andriamanitra hoe ampy izay.

Efa mikoriana be dia be sahady avy amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany any an-danitra, ireo rano manome fiainana. Atao manakoako mafy izao fanasana izao: “Aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:1, 17). Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, rehefa hatsangana ny maty, dia tsy isalasalana fa hisy olona an’arivo tapitrisany maro hanana fahafahana hanararaotra io fandaharana hatao amim-pitiavana io, mba hahafahany hiaina mandrakizay. Vao fanombohana fotsiny ny fandaharam-pampianarana araka an’Andriamanitra notontosaina hatramin’izao. Mivelatra eo anoloantsika, ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra, ny fotoana hahatongavan’ny “tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah [amin’ny fomba feno], tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. — Isaia 11:9.

[Sarintany/Sary, pejy 86, 87]

(Jereo ny boky)

ANGLETERA

Efitrano Fivoriambe tsara toerana manerana an’i Grande-Bretagne: 1) Manchester, 2) North London, 3) Dudley, 4) Surrey, 5) East Pennine, 6) Bristol, 7) Edgware

[Sary]

East Pennine

Edgware

Surrey

Manchester

Bristol

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 70]

Tom Hart

[Sary, pejy 72]

Ny biraon’ny sampana voalohan’ny Fikambanana

[Sary, pejy 72]

Ny tranon’ny sampana ampiasaina ankehitriny

[Sary, pejy 74, 75]

Nifindra toerana izy ireto mba hanompo tany an-tany hafa: 1) Claude Goodman, 2) Robert Nisbet, 3) Edwin Skinner, 4) John Cooke, 5) Eric Cooke, 6) George Phillips, 7) George Nisbet. Eo andamosina: “Colporteurs” nankany Afrika Atsinanana

[Sary, pejy 79]

Maneho fiheverana manokana an’ireo ankizivavy “au pair” i Franziska Harris

[Sary, pejy 90]

Vera Bull, manompo any Kolombia

[Sary, pejy 90]

Barry sy Jeanette Rushby — “naniry foana hanao bebe kokoa”

[Sary, pejy 92]

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Dudley

[Sary, pejy 95]

Ny fianakavian’ny Betelan’i Grande-Bretagne amin’ny fanompoam-pivavahana maraina

[Sary, pejy 96]

Fizarana diplaoma tao amin’ny kilasy voalohan’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Grande-Bretagne

[Sary, pejy 102]

Efitrano Fanjakana naorina voalohany tamin’ny fomba haingana teto Grande-Bretagne (Weston Favell, Northampton)

[Sary, pejy 107]

Michael sy Jean Harvey

[Sary, pejy 108, 109]

Mpisava lalana nifidy ny hanompo ao amin’ny kôngregasiôna miteny vahiny

[Sary, pejy 116, 117]

Nanadinadina mpitory efa tranainy i A. D. Schroeder, tao amin’ilay fivoriana fanao isan-taona natao tao Leicester, tamin’ny 1983

[Sary, pejy 123]

Manatona sambon’ny mpanjono any amin’ny faritaniny any an-dranomasina ireo mpisava lalana avy any amin’ireo Nosy Shetland

[Sary, pejy 131]

John sy Mildred Barr

[Sary, pejy 133]

Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana). Mipetraka: Peter Ellis, John Wynn. Mitsangana: Bevan Vigo, Stephen Hardy, John Andrews, Ron Drage, Jack Dowson, Dennis Dutton

[Sary, pejy 138, 139]

Mbola tsy vita ny asa fanambarana

[Sary, pejy 140, 141]

Ny sasany izay manao jery todika ireo taona maro nanompoany tamim-pahatokiana: 1) Sydney sy Robina Owler, 2) Anthony sy Muriel Tavener, 3) Richard sy Anne Gillam, 4) Geoff sy Vee Young, 5) Fred sy Rose James, 6) Cornelius sy Riky Hope, 7) Dennis sy Mavis Matthews, 8) Richard sy Hazel Jessop