Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Madagasikara

Madagasikara

Madagasikara

Antsoina indraindray hoe ny Nosy Mena Lehibe i Madagasikara, izay tandrifin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika. Lehibe tokoa i Madagasikara, satria ny nosy lehibe indrindra fahefatra eran-tany, ary mena ny lokon’ny taniny.

Nantsoin’ny mpahay siansa frantsay iray hoe ‘ilay tany nampanantenaina ho an’ny mpandinika ny zavaboary’ i Madagasikara, satria manana zavamaniry sy biby maro samihafa. Misy karazany 10 000 ireo zavamaniriny mamony, ary tsy hita na aiza na aiza eran-tany ny 80 isan-jato eo ho eo amin’izy ireny. Raha ny orkide fotsiny, dia misy karazany efa ho 1 000 — ny karazany iray manome vokatra lehibe aondrana, dia ny vanila. Misy be dia be koa eto amin’ity nosy ity ny biby mahavariana, anisan’izany ny maky sy ny tana samihafa — afaka mihorona manodidina an’izay tazoniny ny rambon’ny tana, ary mamikitra toy ny tanana ny tongony. Misy karazany 400 ireo biby iray tarika amin’ny sahona sy ireo biby mandady, ary eto amin’ity nosy ity ihany no ahitana azy ireo, afa-tsy ny karazany 12.

Ny olona anefa no manintona indrindra ny mpanompon’i Jehovah. Misy mponina maherin’ny 14 000 000 eto Madagasikara, izay mahaforona foko 20 eo ho eo. Manana endrika aziatika — mazava fihodirana sady manana volo tsotra sady mainty — ny olona atỳ amin’ny faritra avo eto afovoan-tany. Heverina fa i Indonezia ankehitriny no fiavian’izy ireo tany am-boalohany. Ahitana taratry ny fiaviana afrikanina-arabo ireo mipetraka any amorontsiraka. Vokatry ny fifangaroan’ireo lafin-toetra ireo, dia toa mateza ny Malagasy; matetika no toa mitovy amin’ny zanany zatovo ny ray aman-dreny.

Anisan’ny manana taham-piterahana ambony indrindra eran-tany ny Malagasy, ary mivelona amin’ny fambolena ny 80 isan-jaton’ny mponina. Misy fiantraikany be eo amin’ilay ‘tany nampanantenaina’ izany. Maherin’ny antsasaky ny ala natevim-be fahiny teto Madagasikara no ripaka na simba.

Na izany aza, dia mbola ‘tany nampanantenaina’ miroborobo ihany i Madagasikara. Amin’ny lafiny inona? Be olona mankasitraka eto, ka haniry tsara ao am-pon’ireo olona ireo ny voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Maro no velom-pankasitrahana noho ny fandrenesana ilay vaovao tsara hoe “Jehovah no Mpanjaka”. Faly izy ireo fa hanao izay tsy ho vitan’ny fitondram-panjakan’olombelona na iza na iza ary na oviana na oviana, ilay fanapahan’i Jehovah. — Sal. 97:1.

Iza moa no tena nanampy ny mponina eto amin’ity nosy lehibe ity hahatakatra hoe midika ho inona ny fanjakan’i Jehovah? Na dia mpiangona ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina aza ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ny mponina, dia tsy nahavita nandentika ny fomba fiaina kristianina tao am-pon’ny Malagasy, ireo misioneran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Nilaza toy izao ny teratany malagasy iray, indray mandeha: “Izao no lazaiko aminao, Tompoko: Natao vaksiny fotsiny tamin’ny Kristianisma izahay Malagasy. Tsy misy Malagasy, na dia iray aza, eny, fa na dia amin’ireo mandroso [nanaraka ny fomba eoropeanina] aza, ka hieritreritra ny hanao trano kanefa tsy hanatona mpanandro mba hahafantarana ny andro tsara hanombohana ilay asa. Tsy maty akory ireo finoana tranainy.” Mbola misy manao sorona biby ihany eny amin’ny toerana avo sy eny an-tampon-tendrombohitra. Fanao mahazatra ny fivavahana amin’ny razana, ary manan-kery lehibe eo amin’ny vahoaka ny mpimasy. Toa ny maty, fa tsy ny velona, no mifehy kokoa ny fiainan’ny olona andavanandro.

Fantatra tsara ny anarana manokan’Andriamanitra

Na dia tsy nahomby firy tamin’ny fanampiana ny olona hanaraka fomba fiaina kristianina aza ireo misioneran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, tamin’ny heviny iray dia nampahafantatra ny anaran’i Jehovah, tamin’ny alalan’ireo Baiboly nadikany, izy ireo. Efa voatonta sahady ny “Testamenta Vaovao” tamin’ny 1830, ary nivoaka tamin’ny fiteny malagasy ny Baiboly manontolo tamin’ny 1835, ka nanjary ny iray tamin’ireo fandikan-teny tranainy indrindra tamin’ny fiteny tatỳ Afrika ny Baiboly malagasy. Mampiasa ny anarana hoe Jehovah ny dikan-teny protestantan’ny Baiboly malagasy, eny, fa na dia ao amin’ny Soratra Grika Kristianina aza, ary mampiasa ilay endriny hoe Iaveh ny dikan-teny katolika, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Sal. 83:16, 18 83:17, 19; Matio 4:7, 10). Ho vokany, dia ampiasaina matetika amin’ny fiainana andavanandro ilay anarana hoe Jehovah. Rehefa mandeha taxi ianao, dia mety hahita andinin-teny ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe “Jehovah no Mpiandry ahy”, voasoratra amin’ny teny malagasy. (Sal. 23:1). Mety hahita andinin-teny ao amin’ny Baiboly misy ny anaran’Andriamanitra voasoratra eo amin’ny lamba tafin’ny vehivavy koa ianao.

Na izany aza, iza no nanampy ny olona teto hahafantatra ny anaran’Andriamanitra, ary tsy vitan’izany ihany fa hanaiky an’i Jehovah ho Tompom-piandrianana eo amin’ny fiainany koa?

Tonga teto amin’ny Nosy Mena Lehibe ny vaovao tsara

Tamin’ny 1925, dia nanomboka nanampy ny olona teto Madagasikara hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Avy eo, tamin’ny Septambra 1933, dia nahazo fitoriana bebe kokoa ity nosy ity. Tonga tao Toamasina, tanàna amorontsiraka, ny lehilahy roa nanana zotom-pon’ny misionera, dia i Robert Nisbet sy i Bert McLuckie, avy tatsy Afrika Atsimo, rehefa avy nandalo tatsy Maorisy. Nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Koa satria voafetra ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Afrika tamin’izany fotoana izany, dia niezaka nampahafantatra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny olona maro araka izay azo natao, tao anatin’ny fotoana fohy, izy ireo. Izao no tsaroan’i Robert Nisbet: “Voapetraka vetivety ireo zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny frantsay nentinay. Nitory momba ilay Fanjakana fotsiny izahay, nametraka zavatra vita an-tsoratra, ary avy eo dia nifindra nankany amin’ny faritany hafa mbola tsy niasana.”

Nitodi-doha nanketo Tananarive renivohitra, atỳ afovoan-tany, ny Rahalahy Nisbet sy ny Rahalahy McLuckie, rehefa avy niasa tao Toamasina. Anarana frantsay iantsoana an’Antananarivo, izay midika hoe “Tanànan’ny Arivo”, ny hoe Tananarive. Izao no nahatonga ilay anarana: Nasian’ny Mpanjaka Andrianjaka miaramila arivo lahy nitoby nanodidina ilay tanàna mba hiarovana azy io, rehefa nambarany ho renivohitry ny fanjakany ilay tanàna, tamin’ny 1607. Toy izao no fahitan’i Bert McLuckie an’ilay renivohitra: “Toy ny kitron-tsoavaly ilay renivohitra, ka ny gara no teo amin’ny sisiny malalaka tamin’ilay havoana niolaka. Tao anatin’ilay ‘kitron-tsoavaly’ ny faritra be toeram-piasana, voahodidin’ny faritra fonenana. Nisy zanatohatra an-jatony maro ara-bakiteny teny amin’ireo tehezan-kavoana mba hiakaran’ny mponina hamonjy ny tranony.”

Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona teto an-drenivohitra? Hoy ny fanamarihan’i Robert Nisbet: “Nandray tsy tamim-pisalasalana ny zavatra vita an-tsoratra tamin’ny teny frantsay izy ireo, ary nisy nanao famandrihana tamin’ny L’Âge d’or (Mifohaza! ankehitriny) tamin’ny teny frantsay. Koa satria maro no nametraka fanontaniana, dia niverina nitsidika ny maromaro tamin’izy ireo izahay, mba hanao fiaraha-midinika fanampiny.” Hoy ny Rahalahy Nisbet, nahatsiaro ny zavatra hitany teny am-pitoriana: “Tena nanintona be anay ireo teratany nahira-tsaina aoka izany.”

Sahirana anefa izy mirahalahy nifampiresaka tamin’ny olona, satria vitsy kely ny nahazo ny fiteny anglisy. Na izany aza, dia niezaka nitory tamin’ny olona maro araka izay azony natao izy ireo, mandra-pahalanin’ny zavatra vita an-tsoratra nentiny. Tsy nisy groupe na kôngregasiôna voaorina nandritra ny fitsidihan’izy ireo naharitra iray volana. Na izany aza, dia nandany 185 ora izy ireo niresahana tamin’ny hafa momba an’i Jehovah, ka nahapetraka boky 214 sy bokikely 828 ary nahazo famandrihana 21. Voafafy ny voan’ny fahamarinana, saingy niandry 22 taona fanampiny vao nokarakaraina tsara ireny voa ireny ka naniry sy nitombo.

Nandray ny fahamarinana ny Malagasy

Tamin’ny Oktobra 1955, taorian’ilay Fivoriambe “Fanjakana Mandresy” tany Paris, dia nisy mpisava lalana manokana roa avy tany Frantsa tonga teto Antananarivo, rehefa avy nandalo ny tanànan’i Toamasina, any amorontsiraka. Nijoro kelikely teo anoloan’ny gara izy ireo, rehefa avy nivoaka ny fiarandalamby. Nijery ny nanodidina izy ireo, ary nahita ilay “kitron-tsoavaly” nisy trano an’arivony maro niteronterona teo amin’ny tehezan-kavoana, toy ny hoe teo amin’ny talantalana. Mpitrandraka arintany taloha nanam-piaviana poloney, i Adam Lisiak. Hoy izy tamin’i Edouard Marlot namany: “Jereo ange, io rehetra io ny faritanintsika, ry Edouard!” Hoy ny navalin’i Edouard: “Inona no hataontsika eto, ry Adam? Nahita fianarana ny olona eto, fa isika kosa tsy nahita fianarana. Inona no azontsika atao, ry Adam?” Nahatontosa asa tsara be dia be anefa izy ireo teto amin’ity nosy ity.

Zanatany frantsay i Madagasikara tamin’izany fotoana izany. Koa satria voarara tany Frantsa sy tany amin’ireo zanatany frantsay Ny Tilikambo Fiambenana, dia ny Mifohaza! tamin’ny fiteny frantsay no natolotr’izy ireo, ary tamin’ny alalan’ny famandrihana ihany no nahazoana azy io. Nisy famandrihana 1 047 azon’izy ireo, tao anatin’ny enim-bolana voalohany. Nitantara ny Rahalahy Lisiak fa nanjary niforiporitra be, tsy azo novakina intsony, ilay gazety Mifohaza!, satria iny foana no nasehon’izy ireo ho santionany. Na izany aza, dia mbola nahazoana famandrihana ihany ny fampisehoana io gazety niforiporitra io.

Tsy nandanilany fotoana ny Rahalahy Lisiak sy ny Rahalahy Marlot. Niasa ilay faritany izy ireo, ary nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano. Tsy ela dia navela hampiasa maimaim-poana ny lakilasin’ny sekoly fanabeazana fototra iray ny Vavolombelona mba hanaovana ireo fivoriany. Dabilio hazo no nipetrahana, ary natao ho an’ny ankizy madinika ny zava-drehetra — nanahirana ihany ho an’ny olon-dehibe. Na izany aza, dia tsy nisy nitaraina.

Rehefa afaka enim-bolana, dia namerina tatitra momba ny fanompoana ny mpitory malagasy voalohany, Rabehasy Noël. Avy eo dia nisy mpitory hafa nanatevin-daharana tamin’ny fanompoana. Nisy mpitory valo nanao fangatahana mba hahaforona ny Kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Antananarivo, tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1956.

Anisan’ireo voalohany naneho fahalianana teto Madagasikara ny tovovavy malagasy iray, Razanaboahangy Narcisse. Nahamarika lehilahy roa nandalo tsy tapaka teo anoloan’ilay fivarotana niasany i Narcisse, tamin’ny 1956. Indray andro, dia niditra tao amin’ilay fivarotana ny iray tamin’izy ireo, ary nividy jambon didiny vitsivitsy. Rehefa lasa izy, dia nahazo taratasy mivalona kely iray hoe Ny Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao Iray tamin’ny teny malagasy ny mpiasa rehetra tao. “Tsy liana tamin’ilay hafatra aho”, hoy i Narcisse. “Fantatry ny reniko anefa fa tia namaky teny aho, ka nanaovany famandrihana tamin’ny gazety Mifohaza! tamin’ny teny frantsay aho, ary nanaiky ny hianarako ny Baiboly izy, na dia tsy nanontany ny hevitro akory aza.” Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Narcisse, kanefa nanantena izy fa tsy hampianatra azy intsony izy ireo rehefa hitany fa tsy tena liana izy. Nanjary liana kokoa anefa izy, tsy araka ny noeritreretiny tamin’ny voalohany. Rehefa nianarany izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy (âme), ka takany fa diso ny fivavahana amin’ny razana, dia tsapany fa ny fahamarinana no nianarany.

Vonona hanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano Razanaboahangy Narcisse, tamin’ny 1959. Avy eo izy dia nirotsaka ho amin’ny fanompoana manontolo andro. Nanambady an’i Edouard Marlot izy tatỳ aoriana. Namela ohatra tsara dia tsara ny amin’ny faharetana amin’ny fanompoana izy, tamin’ny naha mpitory manontolo andro azy.

Hatramin’ny faran’ny fanompoana manokana nataon’ny Rahalahy Lisiak teto Madagasikara, dia Antananarivo no faritaniny. Nanao fiverenana mitsidika sy fampianarana ny Baiboly hatraiza hatraiza izy. Fantatry ny olona maro hoe vazaha (fotsy hoditra) tsy misy volo izy. Matetika ny tompon-trano no nisafo fotsiny ny lohany, ary dia fantatra fa nandalo teo i Adam. Izao no tsaroan-dRasaona Gervais, rahalahy iray ao amin’ny kôngregasiôna frantsay eto Antananarivo: “Tena nanam-paharetana be sady be fikirizana ny Rahalahy Adam. Rehefa nianatra aho, dia nasaiko nilaza taminy ny hafa hoe tsy tao an-trano aho, kanefa niverina foana i Adam. Hatramin’ny voalohany, dia nanasa ahy hanatrika ireo fivoriana izy, ary izany no nataoko. Nahatoky tamin’ny fandaminan’i Jehovah izy, ary nampianatra ahy hamboly izany toe-tsaina izany koa.”

Tamin’ny 1970, dia voatendry ho atsy La Réunion, nosy frantsay atsy akaiky, ny Rahalahy Lisiak sy ny Rahalahy Marlot. Niverina nankany Frantsa ny Rahalahy Lisiak tatỳ aoriana, ary maty tany Marseilles izy tamin’ny Janoary 1988. Mbola atsy La Réunion ry Edouard Marlot mianakavy.

Nisy mpisava lalana maro kokoa tonga hanampy tamin’ilay asa

Be ny zavatra natao mba hitondrana hatrany ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny olona teto Madagasikara. Nisy mpivady avy tany Frantsa, i Antoine sy i Gilberte Branca, tonga tamin’ny 1957, ary nanompo teto Antananarivo nony avy eo. Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-24-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower i Gilberte, ary nanatrika ny Sekolin’i Gileada koa ny vadiny tatỳ aoriana. Rehefa teraka i Anna zanany vavy tamin’ny 1961, dia mbola nijanona teto amin’izay nanendrena azy izy ireo. Nifindra nanketo Madagasikara koa i Simone Berclaz, izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Gilberte tany Soisa, ary tonga mba hanome tanana tamin’ilay asa izy.

Nisy mpisava lalana manokana roa hafa, i Florent sy i Henriette Chabot, tonga avy tany Frantsa koa tamin’ny 1960, ary nanomboka nanompo tany Diégo-Suarez (antsoina ankehitriny hoe Antsiranana), any avaratra, izy ireo. “Tamin’izany andro izany”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Chabot, “rehefa nandao ny tranony sy ny havany ny mpisava lalana izay handeha lavitra, dia maro taminy no nihevitra fa tsy hiverina intsony alohan’ny Haramagedona, ka nanao veloma farany ny havany. Izany indrindra no tsapanay.”

Ny lehilahy iray niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Rahalahy Chabot, dia nifandray voalohany tamin’ny fahamarinana, rehefa nividy siramamy. Nanao famandrihana tamin’ny Mifohaza! (frantsay) ny mpivarotra sinoa iray, ary nampiasainy hamonosana ny entam-barony ireo pejin’ilay gazety. Verivery fotsiny ve ilay gazety? Nividy siramamy tamin’io lehilahy io Ratsimbazafy Charles. Nofonosina tamin’ny pejy faran’ny gazety iray ilay siramamy. Novakin’i Charles teo ny filazana momba ilay boky hoe “C’est ici la vie éternelle!”, ka nanoratra tany amin’ny sampan’i Frantsa izy mba hahazoana ilay boky. Nandritra izany fotoana izany, dia nihaona taminy ny Rahalahy Chabot, nametraka ilay boky taminy, ary nanomboka fampianarana Baiboly. Nanao fandrosoana haingana izy, ary nanomboka nanatrika ireo fivoriana.

Tsy maintsy nandamina ny fanambadiany anefa i Charles. Nisara-toerana tamin’ny vadiny izy, ary niara-nipetraka tamin’ny vehivavy hafa iray izay niterahany. Nila nisora-panambadiana ara-dalàna izy, mba hekena ho amin’ny batisa kristianina. (Heb. 13:4). Nanomboka nikarakara ilay fisoratana izy, tamin’ny 1960, nefa tamin’ny 1967 vao azony ny taratasy rehetra. May anefa ny lapan’ny tanànan’i Antsiranana tamin’izay fotoana izay, ka potika ireo taratasy ofisialy momba an’i Charles. (Mpit. 9:11). Voatery namerina nikarakara ireo taratasy rehetra indray izy, saingy herintaona monja dia vita ilay izy tamin’ity indray mandeha ity. Nampiaiky volana tokoa ny manam-pahefana ny fahatapahan-keviny hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Ela ny ela ka nahafeno fepetra ho tonga mpitory ilay Fanjakana sy hatao batisa izy! Natao batisa koa ny vadiny. Loholona tany Antsiranana sy eto Antananarivo i Charles.

Fiezahana mafy hianatra ilay fiteny

Tamin’ny 1961, dia tonga mba ho misionera teto Madagasikara i Laval sy i Irene Carbonneau, izay nanao ny asan’ny fizaran-tany tao amin’ny tapany niteny frantsay tany Kanada. Trano gasy iray tao ambany rihana no nipetrahan’izy ireo — nisy efitra fatoriana kely, efitrano fisakafoana kely, lakozia kely, efitra fisasana kely tsy nisy afa-tsy rano mangatsiaka, ary lavarangana kely. “Nandehandeha eran’ny trano ny voalavo sy ny totozy ary ny kalalao”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Carbonneau. “Nanjary fantatry ny vadiko tsara mihitsy ny iray tamin’ireo voalavo, izay tapaka ny antsasaky ny rambony. Isaky ny tojo azy io izy, dia niantso azy hoe ‘Ny andriana’, ka nangata-dalana taminy.”

Nahay niteny frantsay i Laval ary nianatra an’io fiteny io ny vadiny, koa afaka nifampiresaka tamin’ny olona izy ireo. Tsy toy izany anefa ny amin’i Raimo sy i Veera Kuokkanen, izay tonga avy tany Failandy tamin’ny faran’ny volana Janoary 1962. Tsy sarotra ny namantatra azy ireo rehefa nidina avy teny ambony fiaramanidina izy ireo. Nandao an’i Failandy tao anatin’ny hatsiakan’ny ririnina mantsy izy ireo, ka nanao satroka vita tamin’ny volom-biby sy akanjo nafana be. Azo antoka fa nilaina ny niova fitafiana tatỳ amin’ny hafanan’ny tropika. Nahay niteny anglisy i Raimo, fa tsy nahay niteny frantsay. Tsy nahay niteny anglisy na frantsay i Veera. Nampiasa teny anglisy i Irene Carbonneau mba hampianarana azy ireo ny fiteny frantsay, koa voatery nandika ny zava-drehetra avy tamin’ny fiteny anglisy ho amin’ny fiteny failandey tamin’ny vadiny i Raimo. Nanao ny fianarany rehetra tamin’ny fiteny soedoà anefa i Veera fony izy tany an-tsekoly, ka voatery nohazavaina tamin’ny fiteny soedoà ny lafiny ara-pitsipi-pitenenana. Soa ihany fa nahay teny soedoà ihany i Raimo. Toa sarotra ve ilay izy? Izany tokoa. Rehefa afaka roa volana anefa, dia nanomboka nahita nangirana izy ireo. Nanomboka nahafantatra teny frantsay sasany izy ireo. Na dia rehefa nahay niteny frantsay tsara aza anefa izy ireo, dia tsy maintsy nianatra ny fiteny malagasy koa.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa tsy teo intsony ny mpampianatra fiteny ny Rahalahy Kuokkanen, dia nandika teny tamin’ny fiteny frantsay ho an’i Malcolm Vigo, mpiandraikitra ny zone, izy. Mbola tsaroan’ny Rahalahy Kuokkanen ihany fa rehefa notononina ny Lioka 9:62, dia tsy fantany ny teny frantsay ilazana ny hoe “fangady tarihina”, na angadin’omby. Rehefa niezaka nilazalaza azy io izy, dia nihiratra be ny mason’ny mpanatrika, satria gaga izy ireo fa tsy nifanaraka tamin’ny fomba fampiasa ny angadin’omby eto Madagasikara, izay mampiasa omby, ny filazalazany. Indray mandeha koa, rehefa niezaka nilaza tamin’ny teny frantsay izy hoe nanao fivoriana teo ambany manga ireo rahalahy tatsy Malawi, dia nilaza izy fa teo ambony manga ilay kôngregasiôna manontolo. Tsy maintsy nianatra ny nihomehy niaraka tamin’ireo izay tsy nahatana ny fihomehezany tsotra izao izy.

Nisy mpivady misionera hafa koa, i Samuel sy i Thelma Gilman, tonga avy tany Etazonia tamin’ny Aprily 1962. Tsaroan’i Sam tsara ireo olana natrehiny momba ny fifampiresahana. “Mba hipetrahana tao amin’ilay tranonay vaovao, dia nila fantsona lava iray hampiasaina ho amin’ny kabine izahay. Koa nankany amin’ny fivarotana fitaovana iray teo an-joron-dalana izaho sy ny Rahalahy Kuokkanen, ka nanontany raha nisy fantsona enina metatra. Ilay teny tao amin’ny diksionera kely iray nentinay no nampiasainay. Alao sary an-tsaina ny fahagagan’ireo tao amin’ilay fivarotana, rehefa nanontany izahay raha nanana pipa enina metatra izy ireo!”

Tonga nitsidika ny avy tany amin’ny foibe

Noho ny fanampian’ireo mpitory avy tany ampitan-dranomasina, dia nihanitombo ny isan’ireo nitory hoe “Jehovah no Mpanjaka”, teto Madagasikara. Nisy tampon’isan’ny mpitory 41 tamin’ny taom-panompoana 1959. Ny tenan’i N. H. Knorr mihitsy, izay prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany fotoana izany, no tonga nitsidika an’i Madagasikara, mba hampaherezana an’ireo rahalahy.

Efa-taona tatỳ aoriana, rehefa nitsidika tatsy Afrika i Milton Henschel, sekreteran’ny Rahalahy Knorr, dia nahazo fitsidihana indray i Madagasikara. Nanehoany fiheverana manokana ireo misionera sy mpisava lalana manokana teto. Tena nahazo fampaherezana be dia be ny rehetra. Nitantara tamin’izy ireo ny zavatra niainany fony izy mpisava lalana ny Rahalahy Henschel. Talohan’ny nifaranan’io taom-panompoana io, dia nihoatra ny 100 ny isan’ny mpitory teto Madagasikara.

Taorian’ny fitsidihan’ny Rahalahy Henschel, dia nasaina hirotsaka ho mpisava lalana manokana ny rahalahy sy ny anabavy teto an-toerana. Izy ireo no afaka ny hahita vokatra indrindra teo amin’ny asa fanokafana faritany vaovao, noho izy ireo teratany teto. Iray tamin’izy ireo Andriamoara Félix. Nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana izy, tamin’ny 1965. Taorian’izay dia efa mpiandraikitra mpitety faritany izy, ary anisan’ny fianakavian’ny Betela teto Madagasikara nandritra ny taona maro. Na dia rehefa niteraka aza izy sy i Honorine vadiny, dia nanohy nanompo manontolo andro izy. Miasa tapa-potoana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny eto amin’ny sampana ny vadiny.

Nitondra soa ho an’ny zanany ve ny zotom-pony ho an’ny fanompoana an’i Jehovah? Manambady i Miora zanany vavy ankehitriny, ary mpisava lalana manokana miaraka amin’ny vadiny. I Timoty, zanany lahy, kosa, izay mbola tsy nandao ny tokantrano, dia manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tsindraindray.

Biraon’ny sampana teto Madagasikara

Rehefa tsy tapaka intsony ny fitoriana ny vaovao tsara teto Madagasikara nanomboka tamin’ny 1955, dia ny sampan’i Maorisy no nanara-maso ny asa teto. Nanomboka tamin’ny 1959 ka hatramin’ny 1962, dia ny sampan’i Frantsa no nanao ny fanaraha-maso. Nanomboka tamin’ny 1963 anefa, dia nanana biraon’ny sampana azy manokana i Madagasikara. Voatendry ho mpikarakara ny sampana i Raimo Kuokkanen. Tamin’ny voalohany, dia afaka niantsoroka samirery ny ankamaroan’ny asa nahazatra izy.

Tamin’ny voalohany, dia trano nohofana fotsiny ilay birao, izay natao tranon’ny misionera koa. Tsy filamatra anefa io trano io. Rehefa nifindra tao ireo misionera, dia nisy olona nanontany raha tsy natahotra nipetraka tao amin’ny trano nisy matoatoa izy ireo. Inona tokoa fa tena nisy zavatra hafahafa nitranga tao amin’io trano io. Ohatra, rehefa hitan’ny mpivady misionera iray fa nihodina ny tahom-baravarany, dia nosokafany ilay varavarana mba hijerena hoe iza no nanao izany, nefa toa tsy nisy olona tao an-dalantsara. Nanjary fantatr’ireo misionera fa efa nisy mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy nipetraka tao amin’io efitra io. Nanao fikarohana tamim-pitandremana izy ireo mba hahitana raha nisy zavatra tavela mbola nampiasain’ireo fanahy ratsy. Nisy vola vy iray voafantsika mafy teo an-tokonam-baravaran’ilay efitra. Nikezaka nanaisotra ilay izy ilay rahalahy. Avy eo dia nitsahatra ireo fisehoan-javatra hafahafa.

Rehefa nanontaniana momba ilay toe-javatra ny tompon’ilay trano, dia niaiky hoe: “Ia, trano misy matoatoa izy io, saingy nihevitra aho fa noho ianareo misionera sady olon’Andriamanitra, dia tsy misy tokony hatahoranareo.”

Famokarana zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny malagasy

Rehefa nandroso ny asa fitoriana, dia nilaina ny zavatra vita an-tsoratra bebe kokoa tamin’ny fiteny malagasy. Hatramin’ny 1963, dia tsy nisy afa-tsy taratasy mivalona vitsivitsy monja, toy ilay hoe Ny Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao Iray sy ilay hoe Ny Afoben’ny Helo — Fahamarinana Ara-baiboly sa Fampitahoran’ny Mpanompo Sampy? Teo koa ilay bokikely kely velarana hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”, izay natonta tamin’ny 1959. Nahay niteny frantsay sy namaky teny frantsay ny olona nahita fianarana kokoa, ka nampiasa zavatra vita an-tsoratra tamin’io fiteny io ireo mpitory. Na izany aza, dia aleon’ny olona maro mamaky amin’ny fitenin-drazany.

Rehefa nekena ny hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny malagasy, dia nila fanampiana bebe kokoa ny sampana. Nandika teny avy tamin’ny fiteny frantsay Rasoamalala Louise, anabavy malagasy. Nanao ilay asa tany an-tranony izy, ary nataony sora-tanana ny zava-drehetra. Tany amin’ny sampana, dia nadikan’i Veera Kuokkanen tamin’ny milina fanoratana teo amin’ny stencils ireo lahatsoratra voadika, ary nandefa ny milina fanaovana kopia ireo rahalahy.

Nitontaly ho 600 teo ho eo Ny Tilikambo Fiambenana natao pirinty voalohany tamin’ny fiteny malagasy, navoaka tamin’ny Septambra 1963. Fanontana indray mandeha isam-bolana izy io, ary tsy nisy afa-tsy ny lahatsoratra fianarana, tamin’izany fotoana izany. Ravoravo erỳ ireo mpitory. Nahazo famandrihana an-jatony maro izy ireo, nandritra ny ezaka manokana voalohany nanolorana famandrihana, rehefa nampiasaina ny fanontana malagasy. Kopia 3 000 isam-bolana tamin’Ny Tilikambo Fiambenana no nataon’ny sampana, tao anatin’ny volana vitsivitsy. Rahalahy telo no nifandimby nandefa ilay milina saika andro aman’alina.

Izao no tsaroan’ny iray tamin’izy ireo: “Nila stencils 16, fara fahakeliny, izahay ho an’ny nomerao tsirairay tamin’Ny Tilikambo Fiambenana. Ho an’ny gazety iray, dia nampiaraka taratasy valo, nisy soratra tamin’ny andaniny roa, izahay. Nidika izany fa taratasy maherin’ny 24 000 no natao pirinty mba hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana 3 000. Nataonay antontany valo na mihoatra teo ambonin’ny latabatra ireo pejy vita pirinty, ary nihodidina azy io in-3 000 izahay rehefa nanangona ireo pejy nifanarakaraka. Avy eo dia natambatra ireo pejy. Eny, natao tanana ny zava-drehetra.”

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanao fandaharana ny Fikambanana mba hanaovam-pirinty Ny Tilikambo Fiambenana malagasy tany amin’ny sampan’i Soisa. Atao pirinty indroa isam-bolana any Grande-Bretagne izy io ankehitriny, ary 26 000 ny isan’ny aely aminy. Mampiasa azy io ny Vavolombelon’i Jehovah eto Madagasikara, ka afaka mahazo ilay sakafo ara-panahy mitovy amin’ny an’ny mpiray finoana aminy maneran-tany.

Nandroso tsikelikely ny asa fandikan-teny. Telo volana taorian’ny namoahana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny malagasy, dia nahazo ilay boky fianarana ny Baiboly hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” tamin’ny fitenin-drazany koa ny Vavolombelona teto an-toerana. Rehefa nahazo azy io Rakotomaro Justin, mpisava lalana manokana izay nanao ezaka be mba hanampiana ny hafa hianatra ny fahamarinana, dia nihazona ilay boky elaela teny an-tanany, tsy niteny tsy nivolana. Avy eo izy dia nihiaka hoe: “Tsara tokoa i Jehovah! Nanome antsika ity boky ity izy.” Naka baoritra maro feno an’io boky io ireo mpisava lalana mba hametrahana ireo boky teny am-pelatanan’ny olona noana ara-panahy.

Ny lalana nodiavin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany

Tamin’ny voalohany, dia kôngregasiôna iray monja no teto amin’ity nosy ity. Nisy kôngregasiôna maro kokoa anefa niforona, rehefa nisy tranon’ny misionera vaovao nisokatra sy mpisava lalana manokana nirahina ho any amin’ny toerana samihafa. Nandritra ny taom-panompoana 1964, dia nisy kôngregasiôna roa vaovao niorina. Mba hanampiana ireo kôngregasiôna telo nisy tamin’izany fotoana izany, dia nanao fandaharana ny sampana mba hahazoan’izy ireo ny fitsidihan’i Laval Carbonneau, mpiandraikitra ny fizaran-tany, niaraka tamin’i Irene vadiny. Nandeha fiarandalamby izy ireo. Fisetran-javatra nanaitaitra izany, ary nahafinaritra. Indray mandeha, ohatra, dia nandre zavatra nitsaingoka ny ranjony izy ireo. Hay, gisa nandehandeha tao ambanin’ny dabilio, ilay izy.

Voatery nandao an’i Madagasikara ry Carbonneau mba hiantsoroka andraikitra ara-pianakaviana, ka i Raimo Kuokkanen no nanao ny asan’ny fizaran-tany. Nandeha fiarandalamby izy sy i Veera vadiny, isaky ny azo natao izany. Sambo mpitondra olona no nandehanany nitety tanàna amorontsiraka. Indraindray izy ireo dia tsy maintsy nandeha taxi-brousse, izay nahazaka olona 15, saingy feno hipoka foana. Nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny hariva be ireny dia ireny. Nandritra ny fotoan’ny orana, rehefa tsy afa-nandeha ny taxi-brousse, dia nandeha fiaramanidina ry Kuokkanen. Tsy izany anefa no dia faran’izay tsara. Fiaramanidina DC-3 efa tranainy no nananan’ny kompaniam-pitaterana ana habakabaka teto an-toerana, ary tany lava volo fotsiny no lalana fipetrahan’ny fiaramanidina. Fahafahana nifanakalo fampaherezana ara-panahy ny fitsidihana ireo groupes samihafa.

Sady mpiandraikitra ny fizaran-tany no mpiandraikitra ny distrika nandritra ny fotoana kelikely, ny Rahalahy Kuokkanen. Voatery nikarakara ny taratasin’ny fizaran-tany sy ny distrika tao amin’ny sampana koa izy. Niezaka mafy hampiofana rahalahy teto an-toerana anefa izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia ampy fahaizana ho tonga ny mpiandraikitra ny fizaran-tany malagasy voalohany Rajaobelina Célestin, mpisava lalana manokana teto an-toerana.

Nanjary nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah ny Hindoa

Rehefa nandroso ny asa fitoriana, dia nitoriana ny karazan’olona rehetra. (1 Tim. 2:4). Nahapetraka boky sy gazety maro tamin’ny Aziatika nanana fandraharahana teto an-drenivohitra ireo misionera. Iray tamin’izy ireny i Dirajlal Bagvandjee, Hindoa tanora iray fantatra hoe Dirou. Rehefa nisy misionera nitondra gazety tao amin’ny fivarotany, dia faly izy nandray azy ireny. Avy eo, rehefa maty ny dadatoany tamin’ny 1963, dia nanomboka nanontany tena izy hoe: ‘Nahoana no maty ny olona, ary manao ahoana ny olona rehefa maty?’ Nanontany tena izy hoe nahoana no navelan’Andriamanitra ho faty io lehilahy tsara fanahy io. Nieritreritra koa izy raha nisy fanantenana ny amin’ny hifankahitana indray amin’ny maty.

Fotoana fohy taorian’izay, dia tojo azy tamin’ny fitoriana isan-trano i Simone Berclaz. Niverina nitsidika azy izy, ka nampiasa ny Baiboly mba hamaliana ireo fanontaniany momba ny hoe manao ahoana ny maty sy mba hanazavana ilay fanantenana mahatalanjona ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. (Mpit. 9:5; Asa. 24:15). Tamin’ny voalohany, dia very hevitra i Dirou, satria niezaka nampifanaraka izany fanazavana izany tamin’ny zavatra ninoan’ny Hindoa momba ny fifindra-monin’ny fanahy izy. Tsy manome fanantenana ny amin’ny hifankahitana indray amin’ny havan-tiana nodimandry ny zavatra inoan’izy ireo. Rehefa nazava taminy anefa ny zava-drehetra, dia hitan’i Dirou fa nahatalanjona ny fanantenana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. — Jaona 5:28, 29.

Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra i Dirou, herinandro vitsivitsy taorian’ny nanombohany nianatra ny Baiboly. Avy eo dia nipoitra ny fanoherana, indrindra fa avy tamin’ny rainy sy ireo namany. Na izany aza, dia nanatsoaka hevitra i Dirou tamin’ny farany hoe “ny Baiboly no tena Tenin’Andriamanitra, araka ny lôjika”. Nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa izy, ny taona nanaraka.

Nanohy nanohitra anefa ny rain’i Dirou, ka nandefa pastora protestanta roa mba hampiaiky azy hoe tokony hiverina ho ao amin’ny fivavahan’ny ray aman-dreniny izy. Rehefa nanontany azy ireo i Dirou hoe nahoana izy no tsy nampianatra an-drainy ny fahamarinana momba ny ota sy ny fahafatesana ary ny avotra, dia nantitranterin’ireo pastora fa milaza ny amin’ny tokony hanajana ny ray aman-dreny ny didy fahadimy. Nanontany azy ireo i Dirou raha nety ny hankatoavany ny didy fahadimy — hanaja ny fanirian-drainy — ka handikany ny didin’Andriamanitra voalohany, izay milaza hoe tsy tokony hivavaka amin’ny andriamani-kafa. Tsy nahita havaly ireo pastora, ka lasa nandeha. Nankany amin’ny biraon’ny sampana izy ireo nony avy eo, ary nangataka tamin’ny Vavolombelona mba hampiaiky an’i Dirou hiverina ho ao amin’ny fivavahan’ny rainy. “Vao mainka nanamafy ny finoako ny fahitana izany fihatsarambelatsihy izany”, hoy i Dirou.

Nanatona mpanao ody ratsy sy mpanao politika ny rainy nony avy eo mba hangataka fanampiana, ary avy eo dia nandefa lahatsoratra fiampangana lainga ny Vavolombelona tao amin’ny gazety iray teto an-toerana, ary tsy nifampiresaka intsony tamin’i Dirou. Nanan-janaka lahy dimy sy vavy telo ny ray aman-drenin’i Dirou, ary nihevitra ny fianakaviana manontolo fa nanakorontana ny fifandraisan’ny mpianakavy ny fivavahan’i Dirou. Na izany aza, dia niaiky i Dirou fa ny fankatoavana an’Andriamanitra no adidiny voalohany. — Marka 12:28-31.

Tamin’ny Febroary 1967, dia tonga mpisava lalana manokana i Dirou, ary nanambady an’i Simone izy ny taona nanaraka. Rehefa voatery nandao an’i Madagasikara izy ireo tamin’ny Jona 1970, dia nanompo telo taona tany Kenya, ary avy eo dia nanompo nandritra ny efa ho 20 taona tany Inde. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izy, tany Inde.

Inona anefa no nitranga tamin’ny fianakavian’i Dirou? Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka namaky ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ny rainy, nanjary vonon-kihaino ny fahamarinana ara-baiboly ny reniny, ary nisy tonga Vavolombelona vita batisa ny rahalahiny sy ny anabaviny ary koa ny zana-drahalahiny sy ny zanak’anabaviny. Nisy 16 tamin’ny fitambarany, no tonga mpivavaka amin’i Jehovah, tamin’ireo havany. Manompo ato amin’ny sampan’i Madagasikara ny sasany; ny hafa kosa manampy amin’ny tetik’asa fanorenana iraisam-pirenena. Ohatra ny amin’ny vokatra tsara dia tsara teto amin’ity Nosy Mena Lehibe mahavokatra eo amin’ny lafiny ara-panahy ity, ny fianakaviana Bagvandjee.

Nametraka fototra ny misionera

Nanohy nandefa misionera mba hanampy tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara teto Madagasikara ny Fikambanana Watch Tower. Anisan’izy ireo i Margarita Königer sy i Gisela Hoffmann, anabavy alemà izay tonga tamin’ny Martsa 1966. Nilaza toy izao ny amin’ny zavatra nampiaiky volana azy ny Anabavy Hoffman: “Milamina ny rivo-piainana eto Madagasikara, tsy mitovy mihitsy amin’ny fiainana feno zavatra atao sy mirotoroto any Eoropa sy Amerika. Anisan’ny zavatra voalohany nahazendana ahy ireo vahona goavana. Tany aminay aho dia namboly azy ireny tao anatin’ny tavim-boninkazo, ary faly erỳ aho rehefa nitombo ho 15 santimetatra izy ireny. Teto anefa aho dia nahita azy ireny mitovy haavo amin’ny trano! Ary rehefa niverina avy nanatrika ny fivorianay voalohany tamin’ny takariva aho, dia nahita fa toa akaiky kokoa noho ny nahitako azy hatramin’izay ireo kintana. Nanomboka fiainana tsotra izahay teto.”

Vetivety dia tsapan’izy mirahavavy fa tena mahay mandray olona sy tia mandray vahiny ny mponina teto an-toerana. Hoy ny Anabavy Königer: ‘Hitanay ho tena nahita fianarana ny olona. Na dia ny renibe tany ambanivohitra aza dia tia namaky ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Tian’izy ireo ny nanao takalo, mba hahazoana boky. Nanenjika anay ny ankizy mba hanakalo fotsimbary tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!’ Nanokatra ny asa fitoriana tao Fianarantsoa niaraka tamin-dry Branca izy mirahavavy, ary nanatanjaka ny groupe kely tao Ambositra. Samy any atsimon’Antananarivo no misy ireo tanàna roa ireo.

Nisy misionera be herim-po hafa koa nanokatra faritany vaovao. Nanompo tany Toliara, tanàna amorontsiraka any amin’ny faritra atsimo, i Hugh Haisley sy i Thomas Baynes. Nanompo tao Taolanaro, niaraka tamin’i Edouard sy i Narcisse Marlot, i Mary Dolinski, avy any Kanada.

Tamin’ny 1961, fony nirahina nanketo Madagasikara ireo misionera voalohany, dia mpitory mahery kelin’ny 75 no nanao tatitra. Tamin’ny 1970, taorian’ny nanaovana mpianatra nandritra ny efa ho folo taona, dia faly ireo misionera ireo nahita tampon’isan’ny mpitory 496 — fitomboana 525 isan-jato! Nisy loza nitatao anefa. Efa nanomboka tamin’ny 1967 no tsy nisy misionera vaovao navela hiditra teto Madagasikara.

Ny 5 Jona 1970, tamin’ny efatra ora tolakandro, dia nipoaka ilay famelezana. Nankao amin’ny sampana ny Polisin’ny Sûreté Nationale, ka nilaza tamin’i Samuel Gilman fa tsy maintsy niseho tany amin’ny biraon’ny Polisin’ny Sûreté Nationale ny misionera rehetra, ny ampitson’iny. Niseho teo anatrehan’ny lehiben’ny Polisin’ny Sûreté Nationale ny misionera teto an-drenivohitra tamin’izany fotoana izany: ny Rahalahy Gilman, ny Rahalahy Kuokkanen, ary ny Rahalahy Lisiak. Tamin’ny teny fohy no nilazana tamin’izy ireo fa tsy maintsy nandao an’i Madagasikara tsy nisy hataka andro tamin’ny fiaramanidina ny alin’iny ihany ny misionera Vavolombelon’i Jehovah rehetra! Nilazana izy ireo hoe: “Aza mitady hamantatra ny antony, satria tsy ho fantatrareo mihitsy izany, fa mandehana izao ankehitriny izao fotsiny.” Nisy vao nahazo visa telo taona anefa ny sasany, andro vitsivitsy talohan’izay. Rehefa nohazavain’izy ireo fa mbola nanan-kery ireo visas, dia nasain’ilay lehibe nampiseho ny pasipaorony izy ireo. Avy eo dia notombohiny hoe Annulé (Nofoanana) teo amin’ny visas-n’izy ireo, ary nilazana ireo rahalahy fa tsy ara-dalàna intsony izao ny nipetrahany teto Madagasikara.

Tsy afaka niainga ny alin’iny ireo misionera. Nankany amin’ny consulat na ny ambasadin’ny tany niaviany avy izy ireo ny alatsinainy vao maraina, mba hangataka fanampiana. Na izany aza, ny asabotsy 20 Jona 1970, dia tsy maintsy nandao an’i Madagasikara ireo misionera rehetra izay niisa 20. Nankany Kenya ny ankamaroan’izy ireo. Ireo misionera teratany frantsay kosa nankatsy La Réunion, izay faritany frantsay. Tonga nanao veloma azy ireo ny rahalahy sy ny anabavy maro avy amin’ny lafy valon’i Madagasikara. Nitomany ny Vavolombelona teto an-toerana, ary nitomany koa ireo misionera. Efa teto Madagasikara nandritra ny taona maro ny sasany, ary teto no fonenan’izy ireo.

Raha mbola teto Madagasikara ireo misionera, dia niezaka nampianatra ny olona hanorina ny finoany eo amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hametraka ny fitokisany amin’i Jehovah ary hankasitraka ny anjara asan’i Jesosy Kristy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. (1 Kor. 3:5-14). Nety tsara mihitsy ny tenin’i Florent Chabot, tao amin’ny fivoriana farany natrehiny talohan’ny handaozana an’i Madagasikara, nanao hoe: “Raha tonga mpanaraka misionera ianareo, dia tsy ho afaka ny hijanona ho Vavolombelon’i Jehovah, rehefa lasa izy ireo. Fa raha tonga Vavolombelon’i Jehovah kosa ianareo, na dia rehefa lasa aza ireo misionera, dia hijanona ho Vavolombelon’i Jehovah foana ianareo.”

Ilay fandrarana

Nampahafantarina ny besinimaro ny fandrarana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 8 Aogositra 1970, tao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika Malagasy. Inona no hanjo ny Vavolombelona malagasy? Hoy ny Minisitry ny Atitany, rehefa nametrahana io fanontaniana io: “Aza manahy ianareo. Rehefa ho lasa ireo misionera, dia hokarakarainay izy ireo”, sady nanao fihetsehana tamin’ny tanany izy toy ny hoe hanamontsana zavatra.

Soa ihany anefa fa tsy nampiharana fanenjehana nahery vaika ny Vavolombelona teto an-toerana. Na izany aza, ahoana no tsapan’ny rahalahy sy ny anabavy teto an-toerana rehefa noroahin’ny fanjakana ireo misionera? Hoy Ravelojaona Rahantamalala, izay nahafantatra ireo misionera fony izy zatovovavy: “Koa satria tsy maintsy nandeha ireo misionera, dia maro no kivy. Tsy nirin’ny sasany intsony ny ho fantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah.”

Nampiseho fihenana 12 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory, ny tatitra ho an’ny taom-panompoana 1971. Toa nanjary resin’ny tahotra olona ny sasany, ka nitsahatra tsy nitory ny vaovao tsara. (Ohab. 29:25). Noporofoin’ny ankamaroany anefa fa natanjaka ny finoany. Ary telo taona tatỳ aoriana, dia nahita fitomboana indray i Madagasikara.

Tamin’ny voalohany, dia natao tany amin’ny toerana samihafa tany an-tokantranon’ireo rahalahy ny fivoriana, ka fianakaviana telo na efatra no mpanatrika. Nitombo tsikelikely ny isan’ny mpanatrika fivoriana. Tao amin’ny faritr’i Manakambahiny eto Antananarivo, dia nanome ny tranony hanaovana fivoriana ny Anabavy Ravelojaona. Misaotra an’i Jehovah fa tsy nisy fisehoan-javatra lehibe nitranga, eny, fa na dia nandritra ny hotakotaka aza. “Kôngregasiôna folo, fara fahakeliny, no niforona avy tao amin’ny groupe kely teto Manakambahiny”, hoy ny Anabavy Ravelojaona. “Nitahy ny ezaka nataonay tamin’ny fitoriana sy ny fanaovana mpianatra nandritra ireo taona rehetra nisian’ilay fandrarana i Jehovah.”

Nampiofanina hiantsoroka andraikitra

Nisy komity iray naorina mba hanampy tamin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto an-toerana ary mba hifandray hatrany amin’ny Fitambara-mpitantana. Nankinina tamin’ny Vavolombelona teto an-toerana ny andraikitra hitory ilay Fanjakana teto Madagasikara. Nandritra ilay fandrarana, dia nampiasa ilay anaram-bosotra hoe Ineny ireo rahalahy, mba hilazana ny Fikambanana. Raha vantany vao nampiharina ilay fandrarana, dia nanolotra ny fanampiana nilaina Ineny. Tamin’ny fomba ahoana?

Nitsidika an’i Madagasikara tamin’ny naha mpiandraikitra ny zone azy i Milton Henschel, avy any amin’ny foibe maneran-tany. Nanao fandaharana voafaritra tsara izy mba hanomezana ny zavatra ara-panahy nilain’ireo rahalahy malagasy. Nasaina hankany amin’ny foibe maneran-tanin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso ny rahalahy tompon’andraikitra roa mba hahazo fampiofanana. Nandray soa be dia be izy ireo, na dia sahirana tamin’ny fiteny aza, ary nanjary ampy fahaizana kokoa ho amin’ny asa niandry azy ireo.

Nanoro hevitra koa ny Rahalahy Henschel ny amin’ny hisian’ny mpisava lalana manokana malagasy iray hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Hanomana azy handray anjara bebe kokoa amin’ny fitarihana ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana izany. Nofidina Andriamasy Théodore, tovolahy iray nahay niteny anglisy, sady nanampy tamin’ny fandikana ny taratasy nifandraisana. Hoy izy, nahakasika ny fampiofanana azony tany Gileada: “Fampiofanana ara-baiboly feno dia feno naharitra dimy volana izy io, ary nahatonga ahy hanana fahazarana tsara mianatra. Ny fiasana tapak’andro tao amin’ny sampan-draharaha samihafa tao amin’ny Betela, dia nanome fahafahana maro ho ahy hahita ny fomba fiasan’ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Anisan’ny zavatra niainako nahafa-po indrindra tao Gileada ny fiarahana tamin’ny rahalahy sy ny anabavy voahosotra. Niana-javatra betsaka aho tamin’ny fahalalahan-tanany sy ny fitiavany mandray vahiny ary ny fanetren-tenany.”

Rehefa niverina avy tany Gileada ny Rahalahy Andriamasy, dia voatendry hanompo eny amin’ny saha izy mba hampiasa tsara ny zavatra nianarany. Nanatanjaka ny finoany ny fampiofanana azony, ary nahafahany nampahery ireo rahalahiny kristianina indray kosa, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Mbola manompo tapa-potoana amin’ny asa anendrena samihafa eto amin’ny sampana izy. Tato ho ato izy dia nampianatra fiteny malagasy an’ireo misionera vaovao.

Nanohy nanompo na dia teo aza ilay fandrarana

Tsy nisehoseho ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ilay fandrarana, kanefa nitozo nanolotra fanompoam-pivavahana marina izy ireo. Voadika foana ny nomerao tsirairay tamin’Ny Tilikambo Fiambenana. (Isaia 65:13). Nivory tao an-tranon’olona manokana izy ireo mba hifampaherezana. (Heb. 10:23-25). Nitsidika ireo kôngregasiôna ny mpiandraikitra ny fizaran-tany; nalamina ny fivoriamben’ny distrika sy ny fivoriamben’ny fizaran-tany, ary nisy fivoriana lehibe mihitsy aza natao tany anaty ala. Nisy mpanatrika hatramin’ny 1 500 indraindray tany amin’ny toerana lavitra ny tanàn-dehibe tany. Tamin’ny 1972, dia natao birao sy trano fanatobiana zavatra vita an-tsoratra ny trano iray nohofana. Tonga naka zavatra vita an-tsoratra tao amin’ilay trano ny rahalahy tompon’andraikitra tsirairay avy tao amin’ireo kôngregasiôna 11 nisy tamin’izany fotoana izany. Nikarakara io trano fanatobiana zavatra vita an-tsoratra io nandritra ny fotoana kelikely ny Rahalahy Andriamoara, ary tsaroany fa nitondra an-karihary baoritra feno zavatra vita an-tsoratra avy tao ireo rahalahy, ary hitan’ireo mpiara-monina tsara izany.

Nandritra ireo taona vitsivitsy voalohany nisian’ilay fandrarana, dia malina be ny Vavolombelona. Nihevitra izy ireo indraindray fa nanara-maso azy ny polisy, nitsongo dia azy ireo. Noho izany antony izany no nanaovany tsy ara-potoana ny ankamaroan’ny fitoriany. Rehefa nitsidika isan-trano izy ireo, dia nankao amin’ny trano iray tao amin’ny fitambaran-trano iray, ary nifindra nankao amin’ny trano hafa iray tao amin’ny fitambaran-trano hafa nony avy eo. Tsy nitondra zavatra vita an-tsoratra tao anaty kitapo izy ireo, fa nampiasa lasàka na harona kosa, mba ho toy ny hoe nandeha hiantsena izy ireo. Afaka nitarika fampianarana Baiboly tsy nisy fanelingelenana anefa izy ireo, tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra. Tsaroan’ny Rahalahy Rakotojaona, izay miara-miasa amin’i Lea vadiny eto amin’ny sampana amin’izao fotoana izao, fa rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly izy tamin’ny 1972, dia tsy nanao ezaka manokana hanafina izany fianarana izany ilay nampianatra azy.

Malina loatra ve?

Nanohy nanao fandaharana ho amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny zone, Ineny. Nampahery ireo rahalahy sy anabavy ireny fandaharana tamim-pitiavana ireny, ary nanampy azy ireo hiatrika ilay toe-javatra nisy azy ireo, ka hanao fandrosoana. Tamin’ny 1973, ohatra, rehefa nitsidika an’i Madagasikara i André Ramseyer, dia tsapany fa malina loatra ireo rahalahy. Tsaroan’ny Rahalahy Andriamoara ny fanjohian-kevitry ny Rahalahy Ramseyer hoe: “Efa nisy naiditra am-ponja ve satria hoe Vavolombelon’i Jehovah izy? Tsia. Efa nahita fahasahiranana hafa ve ianareo? Tsia. Koa angamba malina loatra ianareo. Angamba fahamalinana tafahoatra izao? Tsy tokony ho saro-tahotra isika.” Tena nahasoa tokoa iny fitsidihana iny! Nitory an-karihary sy tamim-pahasahiana kokoa ny Vavolombelona teto an-toerana, nanomboka tamin’izay. Ho vokany, nandritra ny taom-panompoana 1974, dia nisy tampon’isa vaovaon’ny mpitory 613, izay nihoatra 30 isan-jato tamin’ny tampon’isa ambony indrindra teo aloha, talohan’ilay fandrarana!

Nanjary ara-dalàna indray

Teo am-pifaranan’ny taona 1983, dia nanao fangatahana ny hanekena ara-dalàna ny asany ireo rahalahy, tamin’ny anaran’ny fikambanana ara-kolontsaina iray teto an-toerana. Nekena ho ara-dalàna io fikambanana io tamin’ny 24 Febroary 1984, kanefa tsy nidika akory izany hoe nesorina ny fandrarana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, dia nitondra fifaliana lehibe ho an’ireo rahalahy io fisehoan-javatra vaovao io. Nitombo ny fanompoana teny amin’ny saha, ary tratra ny tampon’isa vaovao roa niavaka tamin’ny Aprily — mpitory 1 708 no namerina tatitra momba ny fanompoana teny amin’ny saha, ary 8 977 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Koa nitombo 264 isan-jato ny isan’ny mpitory, ary nitombo 606 isan-jato ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana.

Na dia nekena ho fikambanana ara-kolontsaina ara-dalàna aza ireo rahalahy, dia nanao fangatahana ny hanekena ny Vavolombelon’i Jehovah ho fikambanana ara-pivavahana ara-dalàna, tamin’ny 1993. Nekena ho ara-dalàna io fikambanana io, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 4 Oktobra 1994. Hafaliana re izany! Afaka mampahafantatra indray ny tenany an-karihary hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo izao.

Fanampiana bebe kokoa avy tany amin’ny firenena samy hafa

Na dia talohan’izay aza anefa, dia afaka niverina teto Madagasikara ny misionera, tamin’ny 1987. Tamin’ny Septambra 1991, dia tafaverina teto Madagasikara ry Kuokkanen, izay mpisava lalana manokana tany Helsinki, any Failandy, ary voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampana ny Rahalahy Kuokkanen. “Niova i Madagasikara”, hoy ny Rahalahy Kuokkanen. “Mbola teto ihany ny sasany tamin’ireo rahalahy sy anabavy fantatray taloha, saingy maro no efa maty. Vaovao tao amin’ny fahamarinana ny ankamaroan’ireo mpitory.” Be dia be ny asa birao tokony hokarakaraina. Na izany aza, dia endrey ny hafaliana nahita tampon’isa vaovaon’ny mpitory 4 005 tamin’ny Aogositra 1991!

Nasaina hiverina teto Madagasikara koa i Dirajlal Bagvandjee sy i Simone vadiny, izay voaroaka niaraka tamin’ny misionera hafa tamin’ny 1970. Tena mahay mifampiraharaha amin’ny hafa ny Rahalahy Bagvandjee, ka manampy ny sampana amin’ny fahazoana fanomezan-dalana sy taratasy momba ny ladòany ary taratasim-panjakana hafa. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Madagasikara izy, nanomboka tamin’ny 1992. Matetika no gaga ireo manam-pahefana mahita Karàna, hindoa taloha, miresaka momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy ary ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny fitambaran-trano vaovaon’ny sampana

Nanomboka tamin’ny niorenan’ny sampana tamin’ny Septambra 1963, dia trano tao amin’ny toerana samihafa no nampiasaina. Nanomboka tamin’ny 1972 ka hatramin’ny 1987, dia sahaza ho birao sady trano fanatobiana zavatra vita an-tsoratra ny trano iray. Nisy trano lehibe kokoa nohofana nony avy eo. Nandritra ireny taona ireny, dia nanao ny ankamaroan’ny asa tany an-tranony ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana, izay nanana ankohonana.

Rehefa nitatra anefa ny fampianarana ny Baiboly teto Madagasikara, dia nilaina ny toerana nifanentana tsara kokoa tamin’ilay asa. Novidina ny tany iray izay eo amin’ny dimy kilaometatra eo ho eo avy any amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Ivato. Nanomboka ny fanorenana, telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny Aprily 1993, ka nisy rahalahy avy tany ampitan-dranomasina tonga nanampy. Tonga mba hanara-maso io tetik’asa naharitra roa taona sy tapany io i Walter Elkow, kanadianina iray manana traikefa be dia be momba io asa io. Nisy mpanompo iraisam-pirenena hafa koa tonga, ary mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena maro no nianto-tena mba hahatongavany hanampy tamin’ilay fanorenana, nandritra ny telo volana na nihoatra. Nahatratra 110 ny tampon’isan’ireo mpiasa iraisam-pirenena sy mpiasa teto an-toerana. Tamin’ny faran’ny herinandro, dia nitombo be ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo, satria tonga nifarimbona tamin’izy ireo ny rahalahy sy ny anabavy avy tao amin’ny kôngregasiôna teto an-toerana.

Samy nahazo fampaherezana ny andaniny sy ny ankilany. Na dia maro tamin’ireo mpiasa iraisam-pirenena aza no tsy nahay ny fiteny teto an-toerana, dia namela ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha ireny rahalahy sy anabavy matotra ireny. Ohatra, nanampy nandritra ny roa taona teo ho eo i David Smith, izay mécanicien mpanamboatra milina navesatra. Tsy nahay niteny malagasy izy, kanefa fantany fa afaka nanao fanambarana tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny fiteny malagasy. Koa nitsikitsiky izy nijoro teo amin’ny arabe, nihazona ireo gazety tamin’ny tanany iray sady nampiseho ilay fandraisana anjara teo amin’ny tanany ilany. Nahapetraka gazety hatramin’ny 80 izy, tao anatin’ny iray andro.

Tena fanomezana avy amin’i Jehovah tokoa ireo trano vaovaon’ny sampana tsara tarehy! Rehefa notokanana ilay sampana tamin’ny 7 Desambra 1996, dia nisy Vavolombelona efa tranainy 668 nasaina. Fisehoan-javatra nahafaly re izany! Nisy 7 785 tonga nanatrika ny lahateny manokana natao teo amin’ny toerana an-kalamanjana antsoina hoe Gileada, ny ampitson’iny. Fa nahoana no teo? Novidina hananganana Efitrano Fivoriambe io tany io, izay any amin’ny enina kilaometatra eo ho eo avy eto amin’ny sampana. Nahafinaritra tokoa ny nahita ilay tehezan-kavoana feno rahalahy sy anabavy nianjaika sady feno elo mareva-doko niaro azy ireo tamin’ny hainandro!

Mihamitombo ny isan’ny manatevin-daharana ny mpanompo manontolo andro

Hatramin’ny nanombohan’ny mpisava lalana malagasy voalohany ny fanompoany manontolo andro tany amin’ireo taona 1960, dia nihamaro hatrany ny nanatevin-daharana an’ireo mpiasa mazoto ireo, isan-taona. Mpitory ilay Fanjakana 1 amin’ny 6 eo ho eo eto Madagasikara no manao ny fanompoan’ny mpisava lalana ankehitriny. Rahalahy sy anabavy tanora maro no nanao azy io ho anton’asany. Natomboka teto Madagasikara tamin’ny 1979 ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, toy ny tany an-tany hafa, mba hanatanjahana ireo mpisava lalana. Andriamasy Théodore sy Andriamoara Félix, izay nanompo manontolo andro efa hatramin’ny taona maro, no nampianatra tao. Hatramin’izay, dia mpisava lalana an-jatony maro no nandray soa avy tamin’io fianarana tena manampy io.

Anisan’ny foto-kevitra dinihina amin’ny an-tsipiriany ao amin’io sekoly io ny fanehoana fiheverana manokana ny hafa. Maro tamin’ny mpisava lalana no tena nampihatra izany. Ohatra, rehefa voatendry ho any amin’ny tanàna kelin’i Soanierana-Ivongo, any amorontsiraka atsinanana, Randriamampianina Niaina sy i Veroniaina vadiny, tamin’ny 1998, dia hitan’izy ireo fa nilaina ny naneho fiheverana manokana toy izany. Nanan-janakalahy iray kilemaina voan’ny lefakozatra, ilay vehivavy tompon’ilay trano nipetrahan’izy ireo. Naka fotoana nilazana tamin’ilay zazalahy ireo fampanantenana sarobidy ao amin’ny Baiboly, mahakasika ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ireo mpisava lalana manokana. Faly ilay tovolahy niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Niaina sy i Veroniaina. Tsy nankasitraka izany anefa ny fianakaviany. Nasain’ilay reniny nilaza tamin-janany mihitsy aza ireo mpisava lalana hoe tsy nanam-potoana hiaraha-mianatra aminy intsony izy ireo. Tsy afaka nilaza izany anefa izy ireo, mazava ho azy. Nitombo haingana ny fitiavan’ilay tovolahy an’i Jehovah sy ny lalany. Natao batisa izy, rehefa afaka valo volana. Tamin’izay, dia nasaina niala tao amin’ilay trano ireo mpisava lalana.

Nitsahatra ve ny fanehoana fiheverana manokana an’io tovolahy io? Tsia dia tsia. Efa ratsy be ny sezany misy kodiarana, ary izao dia simba tanteraka. Na dia efa tonga aza ny seza vaovao iray ho azy, dia tsy nety nanome izany ilay fiangonana nisy azy taloha, satria niova fivavahana izy. Koa manampy an’ilay rahalahy kilemaina hanatrika ny fivoriana ireo rahalahy ao amin’ilay kôngregasiôna.

Tato anatin’ny taona faramparany, dia nandefa mpisava lalana manokana tsy maharitra tany amin’ny faritany tsy nisy tompony ny Fikambanana, mba hanomezana ho an’ny olona maro kokoa ny fahafahana handray soa avy amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nisy rahalahy roa nirahina ho any Mahaditra, tanàna kely tsy nisy afa-tsy mpitory iray, tamin’ny Novambra 1997. Nahazendana fa voaorina ny kôngregasiôna iray nisy mpitory 14, tamin’ny Oktobra, ny taona nanaraka. Tsy mpisava lalana manokana tsy maharitra intsony ireo mpisava lalana roa ao amin’io tanàna io, fa mpisava lalana manokana maharitra.

Tamin’ny Jona 1996, dia nisy mpisava lalana roa hafa nankany Mahasoabe, tanàna kely iray mbola tsy nitoriana mihitsy. Tsy afaka nandao an’ilay faritany izy ireo rehefa afaka telo volana, araka ny fandaharam-potoana, satria niangavy azy ireo hijanona ny olona. Rehefa afaka enim-bolana, dia nisy groupe isolé iray voaorina, ary telo volana tatỳ aoriana, dia tonga kôngregasiôna iray nisy mpitory dimy sy mpisava lalana maharitra roa ilay groupe. Mbola ao amin’io kôngregasiôna io ihany ireo mpisava lalana manokana “tsy maharitra” roa voalohany, ka mikarakara tsara azy io. Nisy vokatra toy izany hita tany amin’ny faritany maro be tsy nisy tompony.

Nirohotra ireo misionera vaovao

Saha mahavokatra be i Madagasikara. Fampianarana Baiboly any an-tokantrano maherin’ny 20 000 no tarihina, izany hoe maherin’ny 2 isaky ny mpitory. Nisy misionera enina avy tao amin’ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada tany Alemaina, nirahina teto Madagasikara tamin’ny 1993, mba hanampy tamin’ilay asa. Nanokatra tranon’ny misionera tany Toamasina, ilay tanàna lehibe indrindra faharoa eto Madagasikara, any amorontsiraka atsinanana, izy ireo. Voatendry ho eto amin’ity Nosy Mena Lehibe ity i Daniel sy i Hélène Kmita, misionera za-draharaha nanompo tatsy Seychelles. Nisy mpivady mpisava lalana maharitra dimy avy any amin’ny faritra miteny frantsay any Kanada, nanolo-tena hanompo teto koa. Tonga mba hanampy amin’ny asa eto amin’ny sampana i Ivan Teyssier, misionera frantsay izay nanompo tany Paragoay nandritra ny taona maro. Nasaina hiverina amin’ny maha misionera kosa i Dante sy i Christina Bonetti, izay mpanompo iraisam-pirenena teto Madagasikara nandritra ny fanorenana ny sampana. Nanampy be dia be tamin’ny fampitomboana ny toe-tsain’ny mpisava lalana teo anivon’ny mpitory teto an-toerana ireo vao tonga ireo. Nanjary nahay niteny malagasy tsara aoka izany ny sasany, ka ampy fahaizana ho tonga mpiandraikitra ny fizaran-tany mitsidika kôngregasiôna miteny malagasy.

Fitetezam-paritany mba hampaherezana ireo kôngregasiôna

Rehefa nanomboka teto tamin’ny 1963 ny asan’ny fizaran-tany, dia kôngregasiôna telo monja no notsidihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nanerana ity nosy ity. Mpiandraikitra mpitety faritany 17 ankehitriny no mitsidika kôngregasiôna sy groupes 253. Mbola tsy mora ihany ny fitetezam-paritany any ambanivohitra. Mandritra ny fotoan’ny orana, dia tapaka eo amin’ny toerana maro ny lalan-tany, ka voatery mandeha an-tongotra lavitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mba hitsidihana kôngregasiôna sasany, dia mety ho voatery handeha an-tongotra amin’ny lalan-kely feno fotaka mandritra ny andro maro izy ireo — dia mandroso fotsiny izany! (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:23-27.) Aterin’ny rahalahy avy ao amin’ny kôngregasiôna iray ny mpiandraikitra ny fizaran-tany indraindray, mba hanampiana azy hitondra ny entany ho any amin’ny kôngregasiôna manaraka. Rehefa mita renirano — izay matetika no tsy misy tetezana — izy ireo, dia fonosiny ao anaty kitapo plastika ny zava-drehetra mba tsy ho lena, ary lolohaviny. Mety ho hahelika ny rano, mandritra ny fotoan’ny orana.

Na dia tsy manana firy aza ny rahalahy eto an-toerana, dia tena tia mandray vahiny izy ireo, ary manao araka izay fara heriny mba handraisana an-tanan-droa ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. Mahazo fampaherezana ny andaniny sy ny ankilany. Endrey ny fahafaham-po rehefa tafaraka amin’ny rahalahy sy ny anabavy miezaka manao araka izay fara heriny mba hampifaliana an’i Jehovah! (Rom. 1:11, 12). Ary tombontsoa toy inona moa ny manatanjaka ny finoan’ireo rahalahy malala ireo izay sarobidy amin’i Jehovah!

Rehefa mamely ny sikilaonina

Anisan’ny fiainana eto ny fiatrehana sikilaonina. Isan-taona, dia misy fotoana amelezan’ny sikilaonina an’ireo nosy atỳ amin’ny Oseana Indianina. Manaraka akaiky ny tatitra momba ny toetr’andro ny sampana, ka miomana mba hanampy ireo rahalahy any amin’ny faritra tra-doza. Tamin’ny 1997, dia nisy sikilaonina maromaro namely an’i Madagasikara, anisan’izany ilay sikilaonina nalaza ratsy atao hoe Gretelle, izay nifofofofo mafy tany amorontsiraka atsimoatsinanana. Tanàna lehibe roa sy vohitra maro no rava. Vavolombelon’i Jehovah 100 teo ho eo no nipetraka tao amin’ilay faritra tra-doza.

Nandefa haingana kamiao kely iray sy fiarakodia 4x4 iray nofenoina entana fanampiana vonjy rano vaky sy fitaovana ary fitaovam-panorenana sasany, ny sampana. Niaraka tamin’ilay ekipan’ny fanampiana vonjy rano vaky, ny dokotera iray. Nampiasa lakana kely koa ilay ekipa mba hahatongavana tany amin’ny toerana sasany tsy tongan’ny fiarakodia.

Rehefa afaka roa andro vao tonga tany Vangaindrano, toerana nalehany farany, izy ireo. Natomboka avy hatrany ny asa vonjy rano vaky. Nomena sakafo sy fialofana ireo tra-boina. Nizaha ny fianakaviana Vavolombelona tsirairay ilay dokotera, ka nanome ny fanafody nilaina. Nandray soa koa ny havana tsy Vavolombelona. Rehefa niverina ny ankamaroan’ireo anisan’ilay ekipa, dia nisy roa lahy nijanona nandritra ny iray volana teo ho eo mba hanorina indray ny tranon’ny rahalahy. Nahazo taratasy fankasitrahana maro ny biraon’ny sampana, noho ny fanampiana nomen’ny Fikambanana. Na ny olona tsy Vavolombelona aza dia nilaza toy izao: “Tena fivavahana kristianina ny fivavahanareo!”

Mampitombo hatrany i Jehovah

Namboly sy nanondraka ireo voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana ireo misionera sy ireo tonga mpianatra noho ny fanampian’izy ireo, teto Madagasikara. I Robert Nisbet sy i Bert McLuckie no nandefa ny tatitra voalohany indrindra avy teto Madagasikara, tamin’ny 1933. Notohizina indray ilay asa, 22 taona tatỳ aoriana, ary nisy tampon’isan’ny mpitory valo tamin’ny taom-panompoana 1956. Rehefa noroahin’ny fanjakana ireo misionera tamin’ny 1970, dia nisy 469 ny mpitory ilay Fanjakana teto amin’ity nosy ity. Tsy afaka nanampy toy ny teo aloha intsony ireo misionera. Kanefa, ‘nampitombo Andriamanitra’. — 1 Kor. 3:6.

Ireo izay efa nanompo teto Madagasikara ka afaka niverina teto indray tatỳ aoriana, dia nahita porofo fa namokatra tokoa ireo niara-nianatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’izy ireo. Ohatra, Ramanitra Hélène, izay 15 taona fony izy niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Irene Carbonneau, dia voan’ny lefakozatra ka tsy afaka nandeha tsara. Nikiry ho tonga mpitory ny vaovao tsara i Hélène, na dia teo aza io kilema io sy ny fanoheran’ny fianakaviany. Nanohy nandroso izy, na dia rehefa nody tany Kanada aza ry Carbonneau. Rehefa niverina nitsidika vetivety i Irene tamin’ny 1995, dia hoy ny fihiakan’i Hélène: “Nanaiky ny fahamarinana ny mpianakaviko rehetra, afa-tsy ny raiko!”

Tonga arivo ny kely teto Madagasikara tamin’ny 1980, noho ny fitahian’i Jehovah, satria nahitana tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 1 021. (Isaia 60:22). Nihoatra ny 5 000 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 1993, ary nahatratra tampon’isa ambony indrindra izahay tamin’ny mpitory maherin’ny 10 300 tamin’ny 1999.

Ahoana ny amin’ny hoavy?

Misy hoavy mamirapiratra miandry ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana eto Madagasikara. Olona fito no nanatrika ny Fahatsiarovana nankalazaina voalohany teto amin’ity nosy ity, tamin’ny 1956. Nitombo hatrany ny isan’ny mpanatrika ka nahatratra tampon’isa ambony indrindra 46 392, tamin’ny 1999. Nisy mpitory 10 346 nanerana ity nosy ity, tamin’io volana io ihany. Tamin’ny antsalany, ny mpitory tsirairay dia nitondra olona liana telo niaraka taminy nanatrika io fisehoan-javatra lehibe indrindra io!

Mbola paradisa ihany ho an’izay rehetra maniry hizara ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa, noho ny fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminy, ity Nosy Mena Lehibe ity. Olona manetry tena an’aliny maro eto no maniry hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Jehovah. Tsy mitana toerana ambony eo amin’izao tontolo izao izy ireo, no sady tsy manankarena ara-nofo. Mazàna no vary sy hena kely ary anana ny sakafony. Tsy manana jiro sy rano ao an-trano ny olona any amin’ny tanàna sy ny vohitra maro. Tsy hoe misy foana ny mofo any amin’ireo vohitra, tsy resahina intsony ny dibera sy ny frômazy. Na izany aza, dia misaotra an’i Jehovah noho ny sakafony isan’andro ireo rahalahy sy anabavy malalantsika, ka mankafy ny fiainany tsotra. Tsy ‘manahy ny amin’izay hohaniny na izay hosotroiny na izay ho an’ny vatany toy izay hotafiny’ izy ireo, fa miezaka kosa mikatsaka voalohany indrindra ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra. (Matio 6:31-33). Velom-pankasitrahana izy ireo noho ilay tombontsoa manompo an’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, ary miombom-peo amin’ny mpanao salamo izy ireo, amin’ny filazana hoe: “Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; aoka ho ravoravo ny nosy maro.” — Sal. 97:1.

Hoy ny torohevitra omen’ny ohabolana malagasy iray: “Ataovy toy ny dian-tana: jereo ny aloha, todiho ny aoriana.” Tsara ny mitodika ny lasa mba hianaran-javatra avy tamin’izay nodiavina teo aloha. Tsy misy soa raisina anefa avy amin’ny fiezahana hamelona indray ny lasa. Ny hoavy no misokatra eo anoloantsika. Miandry antsika ny fotoana tsara indrindra. Apetrak’i Jehovah eo anoloantsika ny fiainana — ny fiainana mandrakizay — ao amin’ny paradisa maneran-tany iray ho feno olona mifankatia tokoa. Tapa-kevitra ny hibanjina hatrany io tanjona io ny Vavolombelon’i Jehovah eto Madagasikara.

[Sary, pejy 224]

[Sary, pejy 230]

1) Rabehasy Noël, 2) Robert Nisbet, 3) Bert McLuckie, 4) Adam Lisiak, 5) Edouard Marlot, 6) Narcisse Marlot

[Sary, pejy 233]

Raimo sy Veera Kuokkanen

[Sary, pejy 235]

Andriamoara Félix, iray tamin’ireo mpisava lalana manokana voalohany teto an-toerana

[Sary, pejy 236]

Natao tanana ny zava-drehetra

[Sary, pejy 237]

Rasoamalala Louise, mpandika teny efa hatramin’ny ela

[Sary, pejy 245]

Andriamasy Théodore mampianatra ny fiteny malagasy amin’ireo misionera vaovao

[Sary, pejy 251]

Ilay fitambaran-tranon’ny sampana efa vita, sy ny Komitin’ny Sampana (ankavia miankavanana): Eleha, Raimo Kuokkanen, Dirajlal Bagvandjee