Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Repoblika Tseky

Repoblika Tseky

Repoblika Tseky

Nanjary nahatsapa bebe kokoa ny fisian’ireo fatorana mampiray ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblika Tseky, tamin’ny 1998. Natao naneran-tany ireo fivoriambe iraisam-pirenena, nanasongadinana ilay foto-kevitra hoe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”.

Nisy 345 avy teto amin’ny Repoblika Tseky, anisan’ireo solontena 42 763 tafavory tao amin’ilay fivoriambe tao Pontiac, any Michigan, Etazonia. Tany 44, fara fahakeliny, no nanana solontena tao — avy tany amin’ireo tanin’i Amerika, Eoropa sy Afrika ary Azia. Nisy 700 hafa koa avy teto amin’ny Repoblika Tseky, niampy solontena 700 avy tatsy Slôvakia, nanatrika ilay fivoriambe tao Nuremberg, atsy Alemaina. Iray tamin’ireo fivoriambe alemà dimy niara-natao, nisy mpanatrika samy hafa firenena nitontaly ho 217 472, io fivoriambe io.

Rehefa nahazo fandraisana nafana ireo solontena tseky tonga tany amin’ireo tanàna nanaovana fivoriambe, rehefa nomena filasiana tamim-pitiavana tao an-tokantranon’ny rahalahy kristianina mbola tsy hitany mihitsy izy ireo, ary rehefa nandre ny tehaka nirefodrefotra fiarahabana tonga soa an’ireo solontena avy tany amin’ny firenena samy hafa tamin’ilay andro fanokafana ilay fivoriambe izy ireo, dia tohina lalina ny fony. Nifampiarahaba tamim-piraiketam-po fatratra ireo Vavolombelona avy teto amin’ny Repoblika Tseky sy avy tatsy Slôvakia, ka nifamihina ary matetika no nandrotsaka ranomasom-pifaliana, satria afaka nihaona indray tao Nuremberg. Fotoana tsy hay hadinoina na oviana na oviana ireny.

Tamin’io taona io ihany, dia nisy an’arivony maro hafa nanatrika fivoriambe toy izany koa, teto amin’ny Repoblika Tseky mihitsy. Ankoatra ny fandaharana naroso tany amin’ireo fivoriambe lehibe kokoa, dia ravoravo ireo solontena teto fa nahazo ireo boky rakipahalalana ara-baiboly roa hoe Étude perspicace des Écritures, izay vao voadika tamin’ny fiteny tseky.

Fisehoan-javatra nahafaly tokoa teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblika Tseky ireny. Lavitra ezaka sady sarotra anefa ny dia vao tonga tamin’izany. Maherin’ny 100 taona lasa izay no nanombohan’ny zava-drehetra, ary tsy nety ho nitranga ireo fisehoan-javatra faramparany ireo raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra tamim-pitiavana.

Tamin’ny 1891 i C. T. Russell, izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany, dia nitsidika an’i Prague, na dia vetivety ihany aza, rehefa nitety an’i Eoropa. Nandritra ny taona maro taorian’izay, dia nahita fotoam-pitomboana be, ary koa fotoan-tsarotra sy fanenjehana ary fanasivanana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Voarara tanteraka ny asan’izy ireo, nandritra ny 46 taona. Na dia rehefa tsy voarara aza ny asan’izy ireo, dia tsy nekena ho ara-dalàna foana akory ny asan’ny Vavolombelona.

Ny zavatra nodiavin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia, dia toy ny an’i Jeremia mpaminany, izay nilazan’i Jehovah hoe: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” — Jer. 1:19.

Fantatra hoe Tsekia

Tamin’ny Oktobra 1918, taorian’ny fifampiraharahana ara-politika tao amin’ireo foibe diplaomatika eran-tany, dia naorina tatỳ Eoropa Afovoany ny Repoblikan’i Tsekôslôvakia. Noravana vetivety izy io nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, kanefa nipoitra indray, taorian’ny famoretan’ny Nazia nandritra ny enin-taona mahery. Niaritra fitondrana kominista nandritra ny 40 taona mahery koa izy io. Avy eo, rehefa afaka 74 taona, dia foana tanteraka io fitondrana ara-politika io. Tamin’ny 1993, dia nanjary ny Repoblikan’i Slôvakia ny tapany atsinanana amin’ilay tany. Ny tapany andrefana kosa, anisan’izany i Bohemia sy i Moravia ary ny ampahany amin’i Silezia, nanjary ny Repoblika Tseky — izay tsorina hoe Tsekia.

Tokony ho 500 kilaometatra ny refin’ny Repoblika Tseky avy any atsinanana ka hatrany andrefana, ary sahabo ho 250 kilaometatra ny avy any avaratra ka hatrany atsimo. Tendrombohitra kanto rakotr’ala ny any avaratra sy ny any andrefana, ary koa tanim-pambolena lonaka be dia be misy renirano mamakivaky azy. Toy ny ankamaroan’ny tany atỳ Eoropa Afovoany anefa, dia olana lehibe ny fandotoana ny tontolo iainana. Mipetraka an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny mponina.

Navoaka tao amin’ny Diary 1972 (frantsay) ny tatitra voafintina iray momba ny fizotran’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Tsekôslôvakia teo aloha, teo anelanelan’ny taona 1912 sy 1970. Ahitana tsipiriany fanampiny ity tatitra ity, saingy mifantoka indrindra amin’ny Repoblika Tseky ankehitriny izy ity.

Lova ara-pivavahana

Indraindray dia antsoina hoe tanànan’ny tilikambom-piangonana zato i Prague, renivohitra. Na dia ireo tilikambom-piangonana maro be aza anefa dia tsy nahasakana ny Repoblika Tseky tsy ho tonga tany tsy mino an’Andriamanitra, raha ny marina, araka izao ahitana azy ankehitriny izao. Tsy toy izany foana anefa ny teto.

Noho ny fangatahan’ny Printsy Rastislav, mpitondra moravianina, dia nandefa haingana misionera ara-pivavahana nankatsy Moravia ny Emperora Michel III tao Byzance, tamin’ny 863 am.f.i. Mpitondra fivavahana avy tany Tesalonika, any Gresy, i Constantin (fantatra tatỳ aoriana hoe Cyrille) sy i Méthode — misionera roa lahy nirahina. Ankoatra ny fitarihan’izy ireo fotoam-pivavahana tamin’ny fiteny teo an-toerana, dia namorona abidy sahaza ho an’ny fiteny slavônika, izay fitenin’ireo Moravianina, i Constantin. Nanomboka nandika ampahany tamin’ny Baiboly izy nony avy eo, tamin’ny fampiasana io abidy io. Mbola tatỳ aoriana be anefa vao azo mazava tsara ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra.

Fanambarana hafatra maika

Tamin’ny 1907, tokony ho 16 taona taorian’ny fitsidihana fohy nataon’i C. T. Russell teto Prague, dia nisy zokiolona iray Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany), nanomboka nitsidika ny faritra avaratra amin’i Bohemia, indray mandeha isam-bolana, mba hizarana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Izy io dia ny Rahalahy Erler, izay avy tao Dresde, atsy Alemaina. Nitory tamin-jotom-po tao Liberec sy ny tanàna hafa, nandritra ny roa na telo andro, izy, isaky ny nitsidika. Nizara ilay boky nosoratan’i C. T. Russell hoe La Bataille d’Harmaguédon izy, ary nanambara tamim-piekena mafy fa hisy loza aman’antambo hitranga maneran-tany amin’ny 1914.

Tamin’ny 1912, dia nisy olona maromaro feno hafanam-po namafy voan’ny fahamarinana ara-baiboly, namorona groupes kely, ary nanao batisa. Rehefa nipoaka ny ady lehibe tamin’ny 1914, dia tsy gaga ny Mpianatra ny Baiboly, na dia tsy tanteraka tamin’io taona io aza ny zavatra rehetra nantenain’izy ireo.

Nandritra ireo taona tany am-boalohany, dia tamin’ny fiteny alemà ny zavatra vita an-tsoratra nozarain’ny Mpianatra ny Baiboly teto. Nandray izany tamim-pankasitrahana ny olona sasany niteny alemà. Tsaroan’i Charlotta Jankovcová, avy ao Plzeň, ny nahazoan-dreniny ny sasany tamin’ireo boky nosoratan’ny Rahalahy Russell, nomen’ny Mpianatra ny Baiboly iray avy any Dresde, izay nitsidika ny tokantranon’izy ireo tamin’ny 1925. Tsy ela izy ireo dia nanomboka nanatrika fivoriana. Hoy i Charlotta: “Nanao fianarana manokana sy fanomanana fivoriana be dia be izahay. Nanompo teny amin’ny saha manontolo andro izahay, isaky ny alahady. Mpianatra ny Baiboly izahay, nianatra Ny Tilikambo Fiambenana, namaky boky, ary nahazo koa ny Bulletin [antsoina ankehitriny hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana].”

Nadika miandalana tamin’ny fiteny tseky ny zavatra vita an-tsoratra. Tamin’ny 1922, dia nivoaka ilay zavatra vita an-tsoratra mampientam-po hoe Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy (anglisy), ary nisy olona telo nirotsaka ho mpanompo manontolo andro, na colporteurs, mba hizara azy io tamin’ny mponina tseky. Tamin’ny 1923, fara fahelany, dia nivoaka isam-bolana teto tamin’ny fiteny tseky Ny Tilikambo Fiambenana 16 pejy.

Nirahina nankatsy Bohemia i Antonín Gleissner mivady, avy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Magdeburg, atsy Alemaina, tamin’ny 1923, mba hampandroso ny fitoriana ny vaovao tsara teto Tsekôslôvakia. Nanokatra trano fanatobiana zavatra vita an-tsoratra tao ny Fikambanana, ka nanara-maso azy io ny Rahalahy Gleissner, izay efa nitarika fivoriana tao amin’ny tanànan’i Most, tamin’ny 1916.

Tamin’ny 1928, dia nanomboka nanara-maso akaiky kokoa ny asa teto Tsekôslôvakia ny biraon’ny sampana tao Magdeburg. Ho vokany, dia voalamina tsara kokoa ireo groupes, nahitam-bokatra kokoa ny fanompoana teny amin’ny saha, ary nirindra tsara kokoa ny asan’ny colporteurs. Nifandray tamin’izany, dia nomena faritany voafaritra tsara hitoriany ny groupe tsirairay, ary koa ireo colporteurs (mpialoha lalana an’ireo fantatra ankehitriny hoe mpisava lalana). Nasehon’ny tatitra avy teto Tsekôslôvakia tamin’io taona io fa nisy groupes kely 25 voaforona mpitory 106 sy colporteurs 6, teto. Nahapetraka boky sy bokikely 64 484 ary gazety 25 000 teo ho eo izy ireo tamin’ny fitambarany, ka tamin’izany no nampahafantarany tamin’ny olona liana fa ny Fanjakan’Andriamanitra no vahaolana amin’ireo olana mianjady amin’ny olombelona.

Ny taona nanaraka, dia tonga avy tatsy Alemaina i Otto Estelmann, izay nitondra ilay “Photo-Drame de la création” nampientam-po, novokarin’ny Fikambanana Watch Tower. Naseho tamina mpanatrika nanerana an’i Tsekôslôvakia izy io. Nahatratra ny fara tampony io fampisehoana io tamin’ny faramparan’ny taona 1933, fony nanofa ny Kapitol, ny sinema lehibe indrindra teto Prague, ireo rahalahy, mba hampisehoana inefatra nisesy ilay “Photo-Drame”. Maro aoka izany ny olona tonga, hany ka nofandrihana ho amin’ny takariva roa fanampiny ilay sinema. Olona maro, izay naniry ny hasaina ho amin’ny lahateny ara-baiboly hafa, no nanome ny anarany sy ny adiresiny. Mazava ho azy fa rehefa niharihary ny fitomboana teo anivon’ny fandaminana, dia nisy koa ny fanoherana. Izany no efa nolazain’i Jesosy fa tokony hampoizin’ny mpanara-dia azy. — Jaona 15:18-20.

Ny sasany izay nanaiky ny vaovao tsara

Nandritra izany fotoana izany, dia nahare ny vaovao tsara ny lehilahy iray, izay nandray anjara lehibe teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ity tany ity, tatỳ aoriana. Bohumil Müller no anarany. Teo am-pifaranan’ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny 1987, dia nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny 55 taona mahery izy, ka ny 14 taona teo ho eo tany amin’ny toby fitanana sy tany am-ponja, noho izy tsy nety nampandefitra ny finoany.

Tamin’ny taona 1931, fony i Bohumil 16 taona, dia nianatra ho mpandahatra pejy hatao pirinty izy. Nianatra nanambatra boky i Karel rahalahiny. I Tomáš Müller, rain’izy ireo, kosa anisan’ny mpitarika tao amin’ny antokom-pivavahana Fikambanan’ny Mpirahalahy, izay nirehareha fatratra noho ny fomba nentim-paharazany sy ny tantarany. Nomen’ny lehibeny karatra hijerena ilay “Photo-Drame de la création”, i Karel. Rehefa nody avy nijery ilay fampisehoana voalohany i Karel, dia nafana fo erỳ nilazalaza ny zava-drehetra hitany sy reny, ary nomeny boky roa tamin’ny fiteny alemà ny rainy. Mbola nafana fo kokoa izy rehefa nody ny ampitso hariva, ary nitondra ny boky Création tamin’ny fiteny tseky. Teo am-pilazalazany ny zavatra nanaitra azy, dia nilaza izy fa nanome ny adiresiny rehefa nifarana ilay fandaharana, mba hahazoana fanasana ho amin’ny lahateny ara-baiboly hafa.

Tokony ho iray volana tatỳ aoriana, raha vao avy nisakafo antoandro izy mianakavy indray alahady, dia naneno ny lakolosim-baravarana. Izao no nosoratan’i Bohumil Müller tatỳ aoriana: “Nandeha namoha ny varavarana i Dada. Niresadresaka kely tamin’ilay mpitsidika tao an-dalantsara izy, kanefa rehefa niverina tao an-dakozia, dia hita soritra teny amin’ny endriny ny hagagany. Izao no teniny voalohany: ‘Mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy aho. Eritrereto ange izany hoe lehilahy iray misahirana mitsidika antsika ny alahady mba hanasa antsika hihaino lahateny iray izany e! Lahateny hataon’ny Mpianatra ny Baiboly ilay izy. Tsy hanao izany na oviana na oviana isika avy ao amin’ny Fikambanan’ny Mpirahalahy. Kamo loatra isika!’ ” Tatỳ aoriana, dia nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka niaraka tamin’ilay groupe kelin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ry Müller mianakavy.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah i Bohumil, saingy tsy natao batisa izy raha tsy rehefa afaka roa taona teo ho eo. Efa nanampy ny mpiandraikitra ny kôngregasiôna (nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe talen’ny fanompoana) izy tamin’izany fotoana izany, efa nitarika fivoriana, ary efa niasa tao amin’ny Trano Betela tao amin’ny biraon’ny Fikambanana teto Prague. Mbola tsy takatry ny Vavolombelona rehetra tamin’izany fotoana izany tamin’ny fomba feno mantsy ny maha zava-dehibe ny batisa kristianina.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany, dia nianatra ny fahamarinana koa i Libuše Štecherová, zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Bohumil. Vetivety kokoa izy dia natao batisa. Izao no nolazain’ny Anabavy Štecherová tatỳ aoriana: “Mpivavaka be i Tomáš Müller, dadatoanay. Indray tolakandron’ny fahavaratry ny taona 1932, dia noresahiny tamiko ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah sy ny hoavin’izao tontolo izao ary ireo fivoriana ara-baiboly nahatalanjona nataon’ny groupe iray antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny farany, dia namelany ilay boky hoe Délivrance, nosoratan’i J. F. Rutherford, aho. Nanomboka takatro fa nisy hevitra tian’ny Mpamorona ho azoko. Nandre momba ny batisa hatao fanindroany tao Prague aho, tao amin’ny fivoriana momba ny fanompoana voalohany indrindra natrehiko. Nipetraka nihaino aho, kanefa tsy azoko an-tsaina mihitsy izay hitranga tsy ho ela. Teny an-dalana hody, dia nanontany ahy i Dadatoa Müller hoe: ‘Tsy ho tianao koa ve ny hatao batisa?’ ‘Mbola tsy mahay na inona na inona ange aho e!’, hoy aho nanda. ‘Toy ny proselyta ianao’, hoy i Dadatoa nanohy ny teniny. ‘Hainao ny Baiboly, saingy ilainao fotsiny ny mahatakatra hoe miaina amin’ny fotoana manao ahoana isika izao, ary inona no sitrapon’Andriamanitra momba anao.’ Koa nangataka azy hanoratra ny anarako ho amin’ny batisa àry aho, ary natao batisa aho ny 6 Aprily 1933.” Tena nianatra izay sitrapon’i Jehovah momba ny tenany izy, ary nanompo azy tamim-pahatokiana, mandra-pahafatiny tamin’ny 1995.

Tsy nisy fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano notarihina tamin’ny olona vao liana, tamin’izany fotoana izany. Matetika dia toy izao fotsiny ny fampiofanana ho amin’ny fanompoana teny amin’ny saha: Niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa iray nankeo amin’ny varavarana iray ny tena mba hijerena izay nataony, ary avy eo dia nalefa handeha irery.

Vehivavy maro no nianatra ny fahamarinana, nandritra ireny taona ireny. Nanjary ny zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainan’ny maro tamin’izy ireo ny fanompoana, ary nahatontosa asa be dia be izy ireo. Matetika izy ireo no nitondra ny zanany niaraka taminy, ary ho vokany, dia nahatsapa mivantana ny fitahian’i Jehovah ireo ankizy. Nanomboka nanompo teny amin’ny saha niaraka tamin-dreniny i Blanka Pýchová, fony izy folo taona. Izao no tsaroany momba ny fisehoan-javatra iray: “Voatendry hitory tao amin’ny vohitra iray izahay sy i Neny. Nilaza tamiko i Neny mba hitory nanodidina ny kianjan’ilay vohitra, fa izy kosa nitory teny amin’ireo trano nanodidina. Rehefa tonga teo amin’ilay kianja aho, dia nihorohoro aho fa feno gisa teo. Tsy nisy biby natahorako afa-tsy ny gisa. Nisoroka ahy izy ireo, ary rehefa nitady hanaikitra ahy, dia nampiasaiko hiarovan-tena ny kitapoko. Tsy mora anefa izany, koa nivavaka tamim-pamoizam-po aho hoe: ‘Jehovah Tompo ô, ampio re aho e!’ Tampoka teo, dia nandositra ireo gisa, ary nisy alika ngeza be Saint-Bernard nijoro teo anilako. Notehatehafiko ilay alika, ary nanaraka ahy isan-trano izy. Tsy sahy nanatona ahy intsony ireo gisa.” Nataon-dreniny azo antoka tatỳ aoriana fa hain’i Blanka ny nanavaka hoe fiahian’i Jehovah tamim-pitiavana iny zava-nitranga iny.

Fitondrana ny vaovao tsara tany amin’ny olona tamin’ny fomba maro

Tamin’ny 1932, dia nisy fitaovana hafa iray azo nampiasaina teny amin’ny fanompoana, teto amin’ity faritra eto Eoropa ity. Nivoaka tamin’ny fiteny tseky ny gazety L’Âge d’Or (fantatra ankehitriny hoe Mifohaza!). Nisy 71 200 no voapetraka teny am-pelatanan’ny olona, tamin’io taona io. Olona maro no nanaiky handray zavatra vita an-tsoratra hafa nivaofy bebe kokoa momba ny Baiboly, rehefa avy namaky ny L’Âge d’Or.

Mba hanomezana ho an’ny olona rehetra fahafahana handray soa avy amin’ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nisy mpisava lalana avy tatsy Alemaina nirahina hanketo. Nanana fiainana tsotra izy ireo, mba hahafahany hanokan-tena ho amin’io asa io. Avy tatsy Alemaina ny 34 tamin’ireo mpisava lalana 84 nandefa tatitra, nandritra ny taona 1932. Nidika ho fianarana fiteny vaovao izany, ho an’ny ankamaroan’izy ireo. Mandra-pahay tsara ilay fiteny, inona no azony notontosaina? Hoy i Oskar Hoffmann, rahalahy alemà izay nanompo teto Prague: “Na dia tsy nahay ny fitenin’ilay tany aza aho, dia nitsidika ny olona tany an-tokantranony, isan’andro. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny antony nitsidihako, dia nasaiko namaky karatra fitoriana iray, izay nirakitra toriteny fohy vita pirinty tamin’ny fiteniny, izy ireo. Tamin’izany fomba izany no nametrahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an’arivony maro teo am-pelatanan’ny Tseky.”

Nisy lalàna manokana novolavolain’ny fitondram-panjakana mba hisakanana ny firohotry ny vahiny, ka notakiny ny hialan’ny ankamaroan’ny mpisava lalana avy any ivelany, tamin’ny 1934. Nisy asa tsara be dia be vita anefa. Nitory tany amin’ny ankamaroan’ireo faritra tsy nomena ho an’ny groupe ireo mpisava lalana, nandritra io taona io.

Tamin’ilay taona tsy maintsy nialan’ireo mpisava lalana vahiny teto, dia nomen’ny Fikambanana lahateny ara-baiboly noraisim-peo tamin’ny kapilan’ny grafofaonina, ny Vavolombelona teto an-toerana. Mendri-piderana ny fahaizan’ireo rahalahy teto an-toerana nanombo-javatra. Nividy môtô iray Indian 750, nisy fiarakely anila izay nametrahany fanamafisam-peo, ny Kôngregasiônan’i Prague. Rehefa tonga teo amin’ny kianjan’ny tanàna iray na ny toerana an-kalamanjana hafa tao amin’ny vohitra iray izy ireo, dia nametraka ilay fanamafisam-peo teo ambonin’ny seza avo iray ka nandefa mozika, raha mbola nitsidika ny olona isan-trano. Rehefa maromaro ny olona voasarik’ilay mozika, dia nandefa toriteny ara-baiboly fohy ireo rahalahy. Tamin’izany fomba izany no nahafahany nitory tamin’ny olona an-jatony maro tany amin’ny vohitra maromaro, indray alahady maraina fotsiny.

Fisoratana anarana ara-dalàna

Nisy fepetra noraisina tamin’ny 1930 mba hahatongavan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia hanana fototra ara-dalàna. Voafaoka tamin’izany ny fanorenana fikambanana ho afaka hanana tany sy hahazo zavatra vita an-tsoratra ary hanao asa hafa tena ilaina.

Nisy fivoriana manokana natao teto Prague. Ireo mpandray anjara tao dia nanaiky tamim-pifaliana ny fikasana hanorina fikambanana roa, ary nanaiky ny dinan’ireo fikambanana ireo. Nomena anarana hoe Watch Tower Bible and Tract Society (Sampan’i Tsekôslôvakia) ilay fikambanana voalohany. Andraikitr’izy io ny nanao izay hahazoana zavatra vita an-tsoratra sy ny nikarakara ireo fivoriana ary ny nizara zavatra vita an-tsoratra. Nantsoina hoe Mezinárodní sdružení badatelů Bible, československá větev (Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly, Sampan’i Tsekôslôvakia), ilay fikambanana faharoa, izay nanana ny foibeny teto Prague. Masoivoho ara-dalàna nanara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia izy io. Naorina ny birao telon’ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly, Sampan’i Tsekôslôvakia, ka nitantan-draharaha tany amin’ny faritra samy hafa teto amin’ny Repoblikan’i Tsekôslôvakia ny birao tsirairay. Ny birao iray tao amin’ny tanànan’i Brno no nanara-maso ny asa teto Tsekôslôvakia, ka i Antonín Gleissner no mpitari-draharaha. Nanamora kokoa ny asa fitoriana ny filazantsara teto Tsekôslôvakia ny fisian’ireo fikambanana ireo.

Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1933, dia nanokatra biraon’ny sampana iray teto Prague, izay nanaovana fanontam-pirinty, ny Fikambanana Watch Tower. Nilaina izany noho ny toe-draharaha sarotra tatsy Alemaina, taorian’ny nahazoan’i Hitler fahefana. Norarana ny asantsika tatsy Alemaina, ary nalain’ny fanjakana ny biraon’ny Fikambanana tao Magdeburg. Voatendry ho mpikarakara ny sampana teto Prague i Edgar Merk, avy tao Magdeburg. Voatendry hiandraikitra ny Trano Betela sy ny birao i Karel Kopetzky, izay avy teto Prague.

Tsy nandeha nisosa tsara anefa ny zava-drehetra teto Prague. Noho ny hambom-po sy ny anton-javatra hafa, dia nisy fifandonana teo amin’izy mirahalahy ireo. Tamin’ny 1936, dia teo ambany fanaraha-mason’ny Biraon’i Eoropa Afovoany, tatsy Soisa, ny sampana teto Prague. Fotoana fohy taorian’izay, dia niala tamin’ny andraikiny tao amin’ireo fikambananay ara-dalàna teto Tsekôslôvakia i Karel Kopetzky sy i Josef Güttler. I Josef Bahner sy i Bohumil Müller no nisolo toerana azy ireo. I Heinrich Dwenger no mpikarakara ny sampana vaovao. Mpanompon’i Jehovah nalemy fanahy naneho tsy fivadihana izy, sady efa niantsoroka andraikitra teôkratika maro samihafa. Nahazo fanaraha-maso tamim-pitiavana ireo kôngregasiôna, ka nanohy nandray anjara tamim-pifaliana tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra — vaovao izay tena nilain’ny olona tokoa teo amin’izao tontolo izao nihanikorontana hatrany.

Nohatanjahin’ny fivoriana niraisam-pirenena

Nahafantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia fa nanao fivoriamben’ny distrika ny Vavolombelona tany an-tany hafa, ka naniry mafy ny hanao fivoriamben’ny distrika teto Tsekôslôvakia koa izy ireo.

Nisy fivoriana niraisam-pirenena lehibe iray, araka ny niantsoana azy tamin’izany fotoana izany, nalamina teto Prague, ka natao ny 14 ka hatramin’ny 16 May 1932, tao amin’ny Varieté-Theater. Izy io no fivoriambe niraisam-pirenena voalohany natao teto. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay lahateny ampahibemaso, izay nanasongadinana ilay foto-kevitra hoe “I Eoropa Alohan’ny Fandringanana”. Nadika tamin’ny fiteny alemà sy hongroà sy rosianina sy slôvaky ary tseky ilay fandaharana. Nisy 1 500 ny mpanatrika. Nanome fanambarana nafonja ilay fivoriambe. Nandritra ireo andro nanaovana ilay fivoriambe, dia zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maherin’ny 21 000 no voapetraka, satria nandray anjara tamin’ny fitoriana isan-trano ireo solontena.

Tamin’ny 1937, dia nisy fivoriana niraisam-pirenena hafa iray natao teto Prague. Mpitsidika an-jatony maro avy tatsy Aotrisy sy Hongria sy Polonina ary Alemaina no tonga teto. “Fivoriambe nahafinaritra be ilay izy!”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Müller tatỳ aoriana.

Nandroso hatrany ny fitoriana ny vaovao tsara nanerana an’i Tsekôslôvakia. Nandritra ny taona 1937, ny Vavolombelona dia nampiasa tsara fanamafisam-peo 7 sy grafofaonina 50, mba handefasana lahateny ara-baiboly. Nampiasa ireo fitaovana ireo izy ireo tamin’io taona io, tamin’ny alalan’ny fampisehoana ampahibemaso 2 946 nisy mpanatrika nitontaly ho 31 279. Hoy ny tatitra iray momba ny asa teto Tsekôslôvakia ho an’io taona io: “Mihamandroso hatrany ny asa fitoriana ny vaovao tsara, manerana ny taninay. Nandre azy io ny olona, na tany an-tanàn-dehibe, na tany amin’ireo vohitra, ary tonga hatrany amin’ny lapa sy ny trano an-tendrombohitra mihitsy aza azy io.”

Nananontanona ny fandrahonana nazia

Nihananatona ny Ady Lehibe Faharoa. Nihanitombo ny fihenjanana tatỳ Eoropa. Ahoana no hiatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay toe-draharaha? Mbola tsy fantatry ny besinimaro tsara teto Tsekôslôvakia izany hoe fandavana tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana izany. Tsy nisy fivavahana lehibe nentim-paharazana tonga hatramin’ny fihazonana fialanalanana kristianina, noho ny fanandratana ny fari-pitsipiky ny Baiboly. I Bohumil Müller no voalohany nogadraina noho ny fialanalanana kristianina, teto Tsekôslôvakia. Izao no nosoratany: “Tokony hanomboka hanao raharaha miaramila aho ny 1 Oktobra 1937. Nibitsika tamiko anefa ny feon’ny fieritreretako fa tsy irin’Andriamanitra ‘hianatra ady’ ny mpanompony. (Isaia 2:4). Niantehitra tamin’i Jehovah aho mba hanomezany ahy tanjaka sy fiaretana ampy hiatrehana ireo fisedrana niandry ahy. Noho ny toerana notanako, dia nampanantsoina inefatra ho any amin’ny fitsarana miaramila aho, tamin’ny faran’ny volana Martsa 1939, ary nomelohina higadra volana maromaro, isaky ny voantso. Rehefa manao jery todika an’ireny fotoana ireny aho, dia afaka milaza izao fa velom-pankasitrahana noho ireny fisedrana ireny, satria nanomana ahy hiatrika fotoan-tsarotra mbola ratsy lavitra ho avy izy ireny.”

Arakaraka ny nitomboan’ny fandrahonan’ny Nazisma no nitomboan’ny fanerena nampiharina tamin’ny mpanompon’i Jehovah. Nihamafy ny fanoherana teo amin’ny sisin-tany nifanila tamin’ny an’i Alemaina. Tamin’ny Aogositra 1938, dia norarana ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, koa nanjary vitsivitsy monja izy ireo no niara-nivory isaky ny groupe. Izao no nosoratan’i Libuše Štecherová: “Nandritra ny taona 1938, dia nihanihenjana ny toe-draharaha politika, ary voatery nampiofan-tena hitory tao anatin’ny tarehin-javatra vaovao izahay. Tatỳ aoriana, nandritra ny ady, dia nataonay izay hifankahalalana tsara tamin’ny olona iray, talohan’ny niresahana taminy momba ny finoanay.”

Nandritra ny taona 1938, dia niroso haka an’i Sudetenland, izay tao anatin’ny sisin-tanin’i Tsekôslôvakia tamin’izany fotoana izany, i Alemaina. Niezaka hisoroka ny ady i Grande-Bretagne sy i Frantsa, ka nanaiky ny fitakian’i Hitler ny hampidirana an’i Sudetenland ho anisan’i Alemaina, ary dia nanjary teo ambany fanapahan’ny Nazia ny olona nipetraka tao.

Nanomboka ny fibodoan’ny Alemà ny tany teto

Tamin’ny 15 Martsa 1939, dia nibodo an’i Bohemia sy i Moravia manontolo ireo tafika alemà. Namorona fitondrana ara-politika vaovao iray nantsoina hoe Fanjakan’i Bohemia sy i Moravia Miankin-doha, nanana ny prezidàny manokana sy ny governemantany saribakoly fotsiny, i Hitler.

Vetivety dia namely ny Vavolombelon’i Jehovah ny Gestapo. Tonga tao amin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower teto Prague izy ireo ny 30 Martsa. Nafahana avy tamin’ny figadrana noho ny fialanalanana kristianina, i Bohumil Müller, ny 1 Aprily. Niantso an-telefaonina ny biraon’ny sampana izy, rehefa avy nivoaka ny fonja ka nandeha ho any amin’ny gara. Hoy izy tatỳ aoriana: “Nilazako izy ireo fa ho avy aho ny ampitso mba hanao izay rehetra azoko natao. Telo izahay no tao amin’ny Betela tamin’io andro io. Be dia be ny asa tokony hatao. Efa voaomana tao amin’ny seranan-tsambo iray ny sasany tamin’ny fitaovana fanontam-pirinty halefa tany Holandy. Nila nofonosina avy hatrany koa ny fitaovana sisa. Nikarakara izany izahay sy ny Rahalahy Matejka, fa ny Rahalahy Kapinus kosa nanala ny zava-drehetra tao amin’ireo birao sy tranon’ny Betela. Nandika gazety — Ny Tilikambo Fiambenana sy Consolation (Mifohaza! ankehitriny) — koa izahay, nandritra izany fotoana izany. Vitanay koa ny namindra toerana boky sy bokikely maro be tamin’ny fiteny tseky, izay tsy nahaliana ny Gestapo fony izy ireo nanao bemidina tamin’ny volana Martsa. Na izany aza, dia tonga imbetsaka tao amin’ny sampana ny Gestapo, nandritra ny fanakatonana ireo birao.”

Rehefa nanomboka nibodo ity tany ity ny Alemà, dia niharihary fa ho tena sarotra ny fitoriana. Rahalahy maro no nandao an’i Tsekôslôvakia. Nankany Soisa ny Rahalahy Dwenger, ny takariva talohan’ny nahatongavan’ny Gestapo hisambotra azy iny indrindra. Niomana ny handeha koa ny Rahalahy Müller. Efa nahazo ny fanomezan-dalana nilaina avy tamin’ny manam-pahefana izy. Tamin’izay no tonga ny taratasy iray avy tany amin’ny sampana tao Berne, nilaza fa hahasoa ny hanohizany ny asa nanendrena azy, ka hiantsorohany ny fiandraiketana nilaina sy hanomezany ny fampaherezana nilain’ireo rahalahy teto Tsekôslôvakia. Nanaiky avy hatrany ny Rahalahy Müller, ary mba tsy hampiova hevitra azy, dia nopotehiny ny pasipaorony.

Izao no nolazainy, 48 taona tatỳ aoriana: “Raha misy manontany ahy izao hoe nanenina ve aho tsy nandao an’i Prague tamin’iny lohataonan’ny 1939 iny, dia hamaly mazava tsara aho hoe: ‘Tsia!’ Tsy nanenina mihitsy aho noho ny nijanonako. Rehefa nandeha ny fotoana, dia takatro fa teto ny toerako. Teto no nametrahan’i Jehovah sy ny fandaminany ahy. Nihoatra lavitra noho ny fampijaliana sy ny fikapohana tamin-kalozana niaretako matetika, ny fifaliana tsapako, rehefa hitako ny fitomboan’ilay asa isan-taona isan-taona sy ny fitomboan’ny isan’ilay vahoaka falifaly nivavaka tamin’ilay Tsitoha, nanodidina ahy!”

Nanomboka tamin’ny 1939, dia nanao fisamborana ny Gestapo. Anisan’ireo voasambotra i Otto Buchta, andry ara-panahy tao amin’ny Kôngregasiônan’i Brno, ary maty tany amin’ny toby fitanana Mauthausen izy tatỳ aoriana. Tamin’ny fararanon’ny taona 1940, dia nosamborina ny Rahalahy Kapinus, izay nanompo tao amin’ny biraon’ny sampana teto Prague teo aloha, ary nisy rahalahy sy anabavy hafa tatsy Moravia niara-nosamborina taminy koa. Na izany aza, dia nanohy nitory ny Teny ny Vavolombelon’i Jehovah nahatoky, na taiza na taiza azony nitoriana.

Niala tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ny sasany izay nanompo azy tamin’ny vanim-potoana mora kokoa, ka nanatevin-daharana ny fahavalon’ny vahoakany. Rahalahy tena nahay niasa sy be zotom-po i Karel Kopetzky. Rehefa tojo azy tamin’ny taona 1940 anefa ny Rahalahy Müller, izay niara-niasa taminy taloha, dia niova be izy. Izao no nitranga: Nanao kopia zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly iray ireo rahalahy, ka nanao ireo kopia tao anaty valopy mba halefa paositra. Nataon’ny Rahalahy Müller tao anaty kitapo izy ireny, ka nandeha bisikileta nitety paositra teto Prague izy. Nandatsaka valopy vitsivitsy tao anatin’ny boatin’ny paositra tsirairay izy. Hoy izy: “Rehefa niditra tao amin’ny biraon’ny paositra iray aho, dia nahita lehilahy iray niandry teo amin’ny latabatra lava, nanao fanamian’ny SS. Nijanona aho, kanefa raha mbola tsy tapa-kevitra ny amin’izay hataoko aho, dia nihodina ilay lehilahy ka nifanatrika izahay. Nifampibanjina kelikely izahay. Gaga be aho fa, hay, i Karel Kopetzky, rahalahy taloha, izy io! Nataoko haingana izay hahatony ahy, nankeo amin’ny latabatra iray aho ka nandray taratasy hofenoina iray, nivoaka ilay biraon’ny paositra, ary niala teo nivoy mafy ny bisikiletako.”

Ny taona nanaraka, dia voasambotra ny Rahalahy Müller, izay niandraikitra ny asa teto Tsekôslôvakia tamin’izany fotoana izany, ka nentina nankany amin’ny toby fitanana Mauthausen.

Fitoriana tao amin’ny “lafaoro nisy afo”

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia be dia be ny zavatra nosoratana momba ny toby fitanana sy ny fijalian’ireo rahalahintsika tany. Anisan’ireo tany amin’ny toby ny Vavolombelon’i Jehovah avy teto Tsekia. Tsy hifantoka amin’ireo tsipiriany momba ny fijalian’izy ireo isika, fa hifantoka kosa amin’ny fomba nahazoan’izy ireo fampaherezana ara-panahy sy ny fomba nampaherezany ny hafa, na dia tao amin’izany “lafaoro nisy afo” izany aza. — Ampitahao amin’ny Daniela 3:20, 21.

Tamin’izany andro izany, dia fantatry ny olona naneran-tany ny anaran’ilay vohitra tseky atao hoe Lidice. Tamin’ny 9, 10 Jona 1942, dia nofongorana tanteraka ilay vohitra manontolo, araka ny baikon’i Hitler nivantana, ho valin’ny nahafatesan’ny manamboninahitra alemà iray. Tokony hofoanana tsy ho ao amin’ny sarintanin’i Eoropa intsony ny anaran’ilay vohitra. Nahatsiaro toy izao tatỳ aoriana i Božena Vodrážková, izay tafavoaka velona tamin’io fisehoan-javatra nampihorohoro io: “Tonga nanodidina ilay vohitray manontolo ny Gestapo. Notifirina ny lehilahy rehetra, ny ankizy nentina tany amin’ny toerana tsy fantatra, ary ny vehivavy nentina nankany amin’ny toby fitanana Ravensbrück. Tany no nihaonako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah Tompontsika (...) Nilaza tamiko ny namana iray indray mandeha hoe: ‘Božena a, niresaka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly aho. Milaza zavatra mahavariana ry zareo. Toy ny hoe angano ilay izy, kanefa milaza izy ireo fa marina ny zavatra lazain’ny Baiboly, ary ho avy ny Fanjakan’Andriamanitra hanaisotra ny faharatsiana.’ Tatỳ aoriana, dia ny tenako mihitsy no nihaona tamin’izy ireo. Nitory tamiko momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ary tsapako ho tena nanintona be ilay hafatra nambarany.” Eny, tonga Vavolombelon’i Jehovah izy.

Voafonja maro no niaiky volana tokoa noho ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo toby. Izao no tsaroan’i Alois Miczek: “Nandritra ilay ady, dia naiditra am-ponja aho satria Kominista, ka napetraka tao amin’ny toby fitanana Mauthausen. Nisy fomba nahazoan’ny Vavolombelona tao Ny Tilikambo Fiambenana sy zavatra vita an-tsoratra hafa, izay nampiasain’izy ireo hampianarana ny voafonja sasany, ary tsy nahasakana izany ny SS. Koa ho fampitandremana, dia nanapa-kevitra ny hitifitra ny ampahafolon’ny Vavolombelona tao amin’ilay toby izy ireo. Nasainy nilahatra ny Vavolombelona rehetra, ka natokana sady nambenan’ny mpiambina nitam-piadiana izay fahafolo rehetra tamin’izy ireo. Tampoka teo anefa, toy ny hoe efa nomanina ilay izy, dia nihodina ireo rahalahy 90 isan-jato sisa tavela ka nanomboka nanatona ilay antokon-drahalahy voafidy hovonoina. ‘Raha tianareo hotifirina ny ampahafolonay, dia tifiro avokoa izahay rehetra!’ Zendana noho io fihetsika io ny tao amin’ilay toby manontolo, ary niaiky volana aoka izany ny SS, ka nofoanana ilay baiko. Vavolombelona nanatri-maso izany fisehoan-javatra izany aho.” (Jaona 15:13). Ary inona no vokatr’izany teo amin’ny fiainany?

Hoy ny fanazavan’i Marie Gogolková, zanany vavy: “Nahatonga ny raiko hanaiky ny fahamarinana ny fandinihana ny Vavolombelon’i Jehovah tao Mauthausen. Natao batisa avy hatrany izy, taorian’ny ady, ary nitory tamin-jotom-po ny Fanjakan’Andriamanitra izy, ka nanampy olona maro hianatra ny fahamarinana.”

Tao amin’ny toby fitanana iray koa i Oldřich Nesrovnal, avy any Brno. Fa nahoana? Tsy tia maizina ny ady izy, koa nitady handositra hiampita ny sisin-tany ho any Soisa. Tratra teo am-pandosirana izy, nampangaina ho mpitsikilo, ka nentina nankao Dachau. Izao no tsaroany: “Tao amin’ilay lamasinina nitondra anay voafonja nankany amin’ilay toby, dia voamariko ny zazalahy iray 13 taona nipetraka teo akaikin’ny varavarankely. Tony izy, ary namaky teny. Toa niezaka hanafina izay novakiny izy. Nanontaniako izy hoe inona ilay novakiny, ary hoy ny navaliny: ‘Ny Baiboly’. Nilaza tamiko izy fa tsy hanary ny finoany an’Andriamanitra. Tsy azoko ny tiany holazainy, kanefa nifikitra tamin’io zazalahy io aho. Gregor Wicinsky no anarany, ary avy tatsy Polonina izy. Fantatro ny ampitson’iny fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy nety nanao sonia lisitra iray tokony haveriny izy. Tamin’ny teny alemà mantsy ilay lisitra, ka natahotra izy sao hanao sonia filazana nety hampanaiky lembenana azy. Nokapohina izy, kanefa na izany aza dia tsy nampihozongozona azy. (...)

Nanoratra tany amin’i Neny aho, nangataka taminy handefa Baiboly iray ho ahy, ary nahagaga fa tonga ilay izy. Nanomboka namaky azy io tsy tapaka aho. Nandinika ahy ny lehilahy iray avy tany Ostrava [any Moravia]. Nanontany izy raha takatro ny hevitr’izay novakiko, ary nilazako izy hoe ny antsasany eo ho eo no takatro. ‘Ho tianao ve ny hahatakatra bebe kokoa?’ ‘Eny’, hoy ny navaliko. ‘Koa tongava arỳ rahampitso aorian’ny amin’ny enina hariva, any amin’ny toerana toy izao sy toy izao.’ Sambany aho vao nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao isan’andro taorian’ny tamin’ny enina hariva ny fivoriana, ary natao intelo ny alahady. Voatendry mialoha ny mpitarika, ary nolazaina mialoha ny foto-kevitra. Mpikarakara ny zavatra vita an-tsoratra ilay ‘mpampianatra’ ahy. Mpanao kiraro tao amin’ilay toby izy, ary nafenina tao ambanin’ny fipetrahana tamin’ilay akalana fiasany ny zavatra vita an-tsoratra rehetra natao kopia tanana. Tsy nahare momba an’i Gregor intsony anefa aho, nandritra ny herintaona sy tapany. Avy eo, tamin’ny faran’ny taona 1944, dia nitazana voafonja maro be niverina avy tany amin’ny toby maro samihafa aho, ka nahita an’i Gregor. Toa nitombo efa ho antsasa-metatra izy, saingy kaozatra kely. Rehefa avy natokana izy sao nisy areti-mifindra, dia niaraka taminay tao amin’ny fivoriana izy. Nafana ny fifampiarahabanay mirahalahy, ary avy eo dia hoy izy: ‘Nivavaka tamin’i Jehovah Tompo aho mba tsy hamelany anao ho irery teto.’ Namaly ny vavaka nataony i Jehovah.”

Fankalazana Fahatsiarovana tany amin’ny toby fitanana iray

Azo natao ve ny nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Eny tokoa! Indraindray anefa dia nisy nanontany tena hoe ahoana no azo nanaovana izany. Hoy ny fanazavan’i Božena Nováková: “Nihananatona ny Fahatsiarovana. Nahatsiaro ho kivy ratsy aho, satria nihevitra fa tsy ho afaka handray anjara amin’ireo marika. Nikarakara ny zava-drehetra anefa i Jehovah. Fantany ny faniriako, koa voantso ho ao amin’ny trano fitobiana iray aho, ny andron’ny Fahatsiarovana. Efa nisy rahavavy maromaro samy hafa firenena tao. Nandeha tsara tsy nisy fanelingelenana ilay Fahatsiarovana, anisan’izany ny fandraisana anjara tamin’ireo marika. Ho an’i Jehovah Andriamanitsika sy ny Zanak’ondriny anie ny saotra sy ny dera ary ny voninahitra!”

Ahoana anefa no nahazoana ilay mofo tsy nisy lalivay sy ilay divay? Hoy ny teny nanampiny: “Hay, nisy Vavolombelon’i Jehovah niasa tao amin’ny toeram-pambolem-panjakana iray teo akaiky, tao amin’ny tanànan’i Fürstenberg, ka izy ireo no nanao izay hahazoanay ireo marika.”

Mbola nisy zavatra hafa — sarotra, kanefa nanatanjaka finoana — nodiavin’ny Anabavy Nováková, taorian’iny fitahiana iny. Izao no tsaroany: “Indray andro, dia voantso ho ao amin’ny efitra fisasana aho. Efitra nisy fandroana izy io, saingy rehefa nalefa ny rano, dia gaza no nivoaka, fa tsy rano. Natsipy tao anaty lafaoro ny vehivavy voapoizina, izay mbola velona indraindray. Tsy fantatro izay nitranga, raha tsy rehefa nilaza tamiko ny vehivavy mpiambina iray hoe: ‘Koa ho ao amin’ny gaza koa ianao, ry Bibelforscher [araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah]! Ho hitantsika izao raha hamonjy anao ny Jehovah-nao!’ ” Nihodina ny Anabavy Nováková, nanganohano ny ranomasony, ary nivavaka izy hoe: “Jehovah Ray ô, raha tokony ho faty aho, dia enga anie ny sitraponao no hatao. Kanefa mivavaka ho an’ny zanako aho. Ankiniko tanteraka aminao ny fikarakarana azy ireo.” Hoy izy nitantara izay nitranga nony avy eo: “Raha mbola nivavaka aho, dia nisokatra ny varavarana, niditra ny lehiben’ny dokotera, ary raha nahita ny telozoroko volomparasy izy, dia niteny hoe: ‘Ry Bibelforscher, inona no ataonao ato? Iza no nandefa anao tato?’ Ny mpiambina, hoy ny navaliko. Hoy izy: ‘Mivoaha ato! Arỳ ny toeranao!’, sady notondroiny ny varavarana. Rehefa nivoaka aho, dia reko ilay mpiambina nanao hoe: ‘Izao vao inoako fa miaro azy ireo ny Jehovah-ny.”

Fitoriana nandritra ny fibodoan’ny Nazia ny tany teto

Na dia tsy nisy tatitra momba ny fanompoana voangona aza tamin’izany fotoana izany, dia nitohy ny fitoriana ny vaovao tsara teto Tsekôslôvakia. Izao no nosoratan’i Rǔžena Lívancová, avy ao amin’ny tanànan’i Kladno: “Nampianatra anay hanam-pinoana an’Andriamanitra i Neny, tsy araka ny fomba fampianatr’ireo mompera akory, fa tamin’ny fomba nahatonga anay hihevitra ny hafa. Tamin’ny 1940, dia nisy rahavavy iray avy tany Prague nitory taminay. Koa nanomboka nianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika mahatalanjona sady Raintsika be fitiavana, aho. Tamin’ny 1943, dia niara-natao batisa izaho sy ny rahavaviko ary ny reniko.”

Na dia tamin’izany fotoana tao anatin’ny ady izany aza, dia nitaona ireo “nirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay” i Jehovah. (Asa. 13:48, NW ). Hoy i František Šnajdr, avy eto Prague: “Katolika izahay mianakavy, saingy tsy nandeha niangona mihitsy. Mpanamboatra milina no asako, ary nanana fiainana nahazatra aho. Mpandeha matetika tany amin’ny trano fisotroan-toaka aho, ary nilalao karatra tany. Nisy lehilahy iray tonga tao, nisotro labiera iray vera, ary nitory tamin’izay olona teo. Nihomehezan’izy ireo izy. Teo am-pilalaovako karatra anefa, dia nanongilan-tsofina tsindraindray tamin’izay nolazainy aho. Niresaka momba ny toko faha-24 amin’ny Matio izy. Tiako ilay resaka, ka nolazaiko taminy izany. Koa nasainy nankany an-tranony aho. Rehefa tonga tany aho, dia nisy fivoriana tamin’izay. Efa nisy olona fito tao an-tranony. Nanontany aho hoe: ‘Amin’ny firy no ho tonga ny mompera?’ ” Tsy nisy mompera tonga anefa. I Josef Valenta, izay nipetraka teo anilan’i František, no nitarika ilay fivoriana.

Nanohy nianatra ny Baiboly i František, ary natao batisa izy tamin’ny Aogositra 1942. Nosamborin’ny Gestapo izy ny taona nanaraka. Nanohy nanome ny fanampiana nilainy anefa i Jehovah, mba hahafahany hitombo ara-panahy. Hoy ny nohazavainy: “Nihaona tamin’ny Rahalahy Martin Poetzinger aho, tao Mauthausen. Rahalahy be herim-po sady malina izy. Nanamboarany kapa fanao an-trano aho, ary nomeny zavatra vita an-tsoratra foana. Nanao fivoriana tsy tapaka izahay — fivoriana tsy natao fantatry ny hafa, mazava ho azy — isaky ny alahady, teo amin’ny ‘Platz’ mihitsy” — izay tsy inona fa ilay faritra fiantsoana anarana an’ireo voafonja.

Nanjary nahatakatra koa i Jan Matuszný fa nila fanampiana ara-panahy izy. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana iray aho, nandritra ny ady. Nitendry zavamaneno tao amin’ny tarika iray tao aho, ary koa ny rahalahiko anankiroa. Nifoka sady nisotro aho. Ratsy aoka izany ny toe-pahasalamako, hany ka nangovitra toy ny an’ny lahiantitra ny tanako. Indray andro, fony aho mamo sady nahatsiaro ho ory dia ory, dia nanomboka nivavaka tamin’ny feo avo tamin’Andriamanitra aho, ka nangataka azy hanampy ahy hahita fomba hivoahana tamin’ireo olana nianjady tamiko.”

Tsy ela taorian’izay, dia nisy Vavolombelona izay nitsidika ny anabavin’io lehilahy io, nanome azy fanazavana tamin’ny an-tsipiriany, ary koa Baiboly iray sy bokikely telo. Nanjary niaiky ilay lehilahy, teo am-pamakiana ireo bokikely ireo, fa ny fahamarinana no nianarany. Nitsahatra tsy nifoka sigara sy tsy nidoroka zava-pisotro misy alkaola ary tsy nitendry zavamaneno tao amin’ilay tarika, izy, ary nanomboka nanatrika fivoriana. Natao batisa tao anaty dobon-trondro izy, tamin’ny 1943. Hoy ny teny nanampiny: “Nanao fivoriana foana izahay nandritra ilay ady manontolo. Nampianarina anay ny hevitry ny teny hoe ‘manaiky lembenana’, ary koa fa aleo ho faty toy izay hamadika rahalahy iray. Nahazo fototra tsara hiatrehana ny fanenjehana niandry anay izahay”, eny, fanenjehana izay nitranga, na dia taorian’ny ady aza.

Nampiasaina tsara ny fotoana somary nilamina

Rehefa nifarana ilay ady, dia nisy fotoana somary nalalaka sy nilamina ho an’ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1949. Fotoan’ny famerenana tamin’ny laoniny izany, ary koa fotoana nirotsahan’ireo rahalahinay — izay nanavao ny zotom-pony — tamin’ilay asa fitoriana nampanaovin’Andriamanitra azy. — Matio 24:14.

Ny zavatra tokony hatao voalohany, dia ny nitady ny toerana nisy ireo kôngregasiôna sy mpitory rehetra. Maty ny sasany, ny hafa nifindra toerana, ary mpitory alemà an’arivony maro izay nipetraka teny akaikin’ny sisin-tany no nadiva horoahin’ny fanjakana. Angamba anisan’ny rahalahy voalohany tonga tao an-tranony ny Rahalahy Müller, ary niasa mafy mba hamerenana ny fifandraisan’ireo kôngregasiôna izy. Niezaka nifandray tamin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana tany an-tany hafa koa izy, saingy tsy nahomby tamin’ny voalohany. Teo am-piandohan’ny volana Jona anefa, dia nisy telegrama tonga tao Berne, atsy Soisa. Nanomboka tonga ireo taratasy avy tao Berne, ka nirakitra pejy maromaro tamin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny alemà ny taratasy tsirairay. Natomboka haingana ny fandikan-teny. Tamin’ny Aogositra 1945 no namoahan’ireo rahalahy teto Prague ny nomerao voalohany tamin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny tseky taorian’ny ady, natao pirinty tamin’ny milina mpanao kopia.

Olona maro no nahatadidy izay notorin’ny Vavolombelona talohan’ny ady, ary vonon-kihaino izao ny sasany tamin’izy ireny. Natomboka ny fanasongadinana lahateny ampahibemaso ara-baiboly — tsy lahateny noraisim-peo akory, fa lahateny nataon’ny mpandahateny nahay. Nisy an-jatony maro ny mpanatrika. Natao tamin’ny 11 Novambra 1945 ny lahateny voalohany, nitondra ny foto-kevitra hoe “Fahafahana ao Amin’ny Tontolo Vaovao”, tao amin’ny efitranon’ny Tsenam-bolan’i Prague Momba ny Fambolena. Feno hafanam-po be ireo mpanatrika 600 teo ho eo. Tao anatin’ny telo taona, dia nisy lahateny ampahibemaso 1 885 toy izany natao teto Tsekôslôvakia. Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny no milaza fa voataona ho amin’ny fahamarinana izy ireo, noho ireny lahateny ireny.

Iray tamin’izy ireo i Tibor Tomašovský, izay mipetraka atsy Bohemia ankehitriny. Tojo an’i Tibor ny Vavolombelona iray teo am-panaovana ny asany, ary nanonona ny Baiboly ilay Vavolombelona, nandritra ny resadresak’izy ireo. Nampiaiky volana an’i Tibor ny fanetren-tenan’ilay Vavolombelona, ka nasainy ho any an-tranony izy. Nitarika ho amin’ny fanasana hanatrika fivoriana izany. Hoy i Tibor tatỳ aoriana: “Tsy hay lazaina ny zavatra tsapanay mivady tao amin’io fivoriana io. Mbola tsy nandre lahateny fatratra toy izany mihitsy aho. Mpandahateny telo no nifandimby nanao ilay lahateny. ‘Tsy maintsy olona nahita fianarana ambony ry zareo ireo’, hoy aho tamin’ilay olona nipetraka teo anilako. ‘Tsia, mpamboly fotsiny izy ireo.’ Nahafinaritra be ny zavatra renay, hany ka tsy te hody izahay. Ny herinandro nanaraka, dia tsy nahavita nifantoka tamin’ny asako aho tao amin’ny biraoko, ary tsy andriko ny hahatongavan’ny alahady. Tsy nanapatapaka fivoriana mihitsy izahay.”

Anisan’ireo toerana nitozoan’ny Vavolombelona nanao ny fanompoany ireo toby fiasana an-tery vozona, izay nihazonana babo an’ady sy Alemà niandry fandroahan’ny fanjakana, taorian’ny ady. Hoy ny tatitra iray mahakasika ny asa tamin’izany fotoana izany: “Nahita fahombiazana be dia be ireo rahalahy nitsidika ny Alemà, izay Nazia ny ankamaroany, tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona.” Moa ve ny fiovan’ny tarehin-javatra nisy an’ireo Alemà hahatonga azy ho vonona kokoa handray ny fahamarinana ara-baiboly? Nirin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hanome azy ireo fahafahana handre ny fahamarinana.

Tamin’ny Novambra 1945, dia tonga ny fanendrena ofisialy ny Rahalahy Müller ho mpiandraikitra ny sampana. Nahavidy trano iray mbola vaovao ihany, nisy rihana telo, tao Suchdol, tsy lavitra an’i Prague, ireo rahalahy, tamin’ny fahavaratra nanaraka. Toeram-piasana nilamina sy filasiana tsara ho an’ny fianakavian’ny Betela io trano io. Nozaraina ho fizaran-tany i Tsekôslôvakia, ka voaforona kôngregasiôna 20 teo ho eo ny fizaran-tany tsirairay, ary natomboka ny fanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany tsy tapaka. Nitondra fitahiana tondraka izany. Nampifandraisina foana tamin’ny fitoriana isan-trano ireny fivoriambe ireny, ary nanome fanambarana tsara dia tsara ny lahateny ampahibemaso natao ny alahady tolakandro. Rehefa natomboka tany amin’ireo kôngregasiôna ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia rahalahy maro kokoa, noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, no nanjary nahay nanao lahateny ampahibemaso, ary tonga mpampianatra nahay kokoa ireo mpitory.

Nalamina koa ny fivoriamben’ny distrika. Nasongadina nandritra ny fivoriamben’ny distrika iray ireo lahateny hoe “Mifalia”, sy hoe “Ilay Andrianan’ny Fiadanana”. Nisy mpanatrika 1 700 tao amin’io fivoriambe io, izay natao tao amin’ny Besední du̇m, toeram-pivorian’ny klioba iray, tao Brno, tamin’ny 1946. Tonga tamin’io fotoan-dehibe io i Franz Zürcher avy tany Berne, atsy Soisa. Ny taona nanaraka, rehefa nisy fivoriamben’ny distrika hafa iray natao tao Brno, dia nisy telo tamin’ny mpiasan’ny foibe maneran-tany — i N. H. Knorr sy i M. G. Henschel ary i H. C. Covington — nandray anjara tamin’ilay fandaharana. Nampahafantarina nanerana an’ilay tanàna tamin’ny alalan’ny peta-drindrina sy ny trakta ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ny Fifalian’ny Vahoaka Rehetra”, ka nisy 2 300 tonga nihaino azy io. Olona maro no nanome ny adiresiny, ka nilaza fa niriny ny hasaina ho amin’ny fivoriana manaraka.

Teo am-piandohan’ny taona 1948, dia nandalo krizy ny fitondram-panjakana. Nahazo fahefana ny Kominista. Nanohy nitory tamin-jotom-po ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahita fitomboana 25 isan-jato izy ireo teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’io taona io. Nisy fivoriamben’ny distrika iray hafa natao teto Prague, tamin’ny Septambra. Nanasongadinana ilay foto-kevitra tonga tamin’ny fotoana nilana azy hoe “Ny Fanjakan’Andriamanitra — Fanantenana ho An’ny Olombelona Rehetra”, ny lahateny ampahibemaso. Ary rehefa heverina izay niandry anay, dia hita ho tena nety indrindra koa ilay lahateny hoe “Fihazonana Tsy Fivadihana ao Anatin’ny Fisedrana”. Na dia nandritra ilay fivoriambe aza, dia teo am-piomanana hanafika ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah.

Nandrahona indray ny loza

Tsy ampy efa-taona no lasa hatramin’ny nanafahana an’ireo rahalahy avy tany am-ponja, kanefa niova tampoka ny toe-draharaha. Nisy loza nitatao, tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tao Karlovy Vary, any amin’ny faritra andrefan’i Bohemia, tamin’ny Novambra 1948. Tsy naato akory ilay fivoriambe, saingy teo am-panaovan’ny Rahalahy Müller ny lahateny ampahibemaso, ny tolakandron’ny alahady 28 Novambra, dia nisy iraky ny Fiarovam-pirenena nanao fitafiana sivily, nipetraka teny amin’ny seza sasany teny aoriana tao amin’ilay efitrano. Ny androtr’iny ihany, raha mbola nisakafo hariva ny Rahalahy Müller, dia tonga nitady azy i Oldřich Skupina, mpiandraikitra ny Kôngregasiônan’i Karlovy Vary, ka nilaza taminy tamim-pahataitairana be fa nisava ny tranon’ny rahalahy maromaro ireo iraky ny Fiarovam-pirenena, ary naka ny zavatra vita an-tsoratr’izy ireo.

Niezaka niantso an-telefaonina ny Betela teto Prague ny Rahalahy Müller, saingy tsy nisy namaly. Niharihary fa nisy zava-nitranga koa tao. Niverina haingana teto Prague izy. Rehefa nanatona ny tranon’ny Betela anefa izy, dia nahita lehilahy roa mody niseho ho mpiasa, kanefa nanao andry maso ny Trano Betela. Tao amin’ny Betela izy dia nihaona tamin’ny rahalahy iray nitatitra hoe nisy iraky ny Fiarovam-pirenena maromaro, nisava ilay trano manontolo, ka nanidy sy nanisy tombo-kase ny birao. Dimy amby efapolo minitra taorian’ny nahatongavany, dia nisy polisy roa avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany niseho tao amin’ny Trano Betela, ka nanambara fa nalain’ny fanjakana ilay trano. Tsy nanaiky ny Rahalahy Müller, ka nanazava fa tsy maintsy misy didim-pitsarana aloha vao azon’ny fanjakana atao ny maka ilay trano. Rehefa lasa izy ireo, dia voafindran’ny Rahalahy Müller tany an-tranon’ny ray aman-dreniny ny antontan-taratasy sasany tsy hitan’ny iraky ny Fiarovam-pirenena. Rehefa niverina tao amin’ny Betela anefa izy, dia nisy iraky ny Fiarovam-pirenena efa niandry azy, nitondra baiko hisamborana azy mbamin’ireo anabavy roa niaraka taminy. Efa voasambotra koa ireo mpianakavin’ny Betela hafa.

Nisy didim-pitsarana navoaka vetivety toy izany ve? Tsia. Volana maromaro tatỳ aoriana vao naharay taratasy iray ny Rahalahy Kapinus, anisan’ireo rahalahy mbola notanana tany am-ponja. Nirakitra ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran’ny Atitany, tamin’ny 4 Aprily 1949 — izany hoe efa-bolana taorian’ilay zava-nitranga — izy io, ary voalaza tao hoe hatsahatra ny asan’ny Fikambanana, ary halain’ny fanjakana ny fananany.

Na dia teo aza izany, dia nampitsahatra ny famelezany tsy ara-dalàna an’ireo rahalahy ny Fitsaram-panjakana, tamin’ny Jolay, satria tsy ampy ny porofo. Nafahana tamin’ny fitanana am-ponja alohan’ny fitsarana, izy ireo. Na izany aza, dia tsy olona afaka izy ireo rehefa niala avy tao amin’ilay tranon’ny Fitsaram-panjakana. Nisy polisy roa avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany nisakana azy ireo, ka nampahafantatra tamin’izy ireo fa halefa any amin’ny toby fiasana an-tery vozona mandritra ny roa taona izy ireo, araka ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera Politika Kominista. Izay tsy vita tamin’ny alalan’ny fitsarana, dia natao tsotra izao tamin’ny alalan’ny didy jadona. Nentina nankany Kladno ny Rahalahy Müller, ka nampiasaina tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany.

Nitondra fahasahiranana be dia be ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny firongatry ny fisamborana nanerana an’i Tsekôslôvakia. Na izany aza, dia hita fa tsy nitranga izay nantenain’ny manam-pahefana kominista. Nilaza tamin’ny Rahalahy Müller toy izao mantsy izy ireo, fony izy tany am-ponja: “Tapaho ny lohany, dia ho faty ny vatany.” Nihevitra izy ireo fa ny Rahalahy Müller sy ireo rahalahy tompon’andraikitra no “lohany”, kanefa tsy takatr’izy ireo fa ny tena Lohan’ny kôngregasiôna kristianina dia i Jesosy Kristy Tompo any an-danitra. — Efes. 4:15, 16.

Tsy niato ny fanompoam-pivavahana marina

Na dia teo aza ny fanerena nandritra ireny fotoana nanjombona ireny, dia tsy nitsahatra ny fanompoam-pivavahana marina. Tsy ela ireo rahalahy dia nanomboka nanao fandaharana mba hampandrosoana hatrany ilay asa fitoriana momba an’i Jesosy ho Mpanjaka Mesianika. Hoy ny fanazavan’i Josef Skohoutil, avy eto Prague: “Andro vitsivitsy taorian’ny nanombohan’ny fanenjehana, dia nitsidika ahy ny Rahalahy Gros, mpiandraikitra teo an-toerana. Nanome ahy ny anaran’ny mpitory folo izy, ary nilaza tamiko mba hikarakara azy ireo.” Nandritra ny fotoana kelikely, dia mbola niezaka nitory isan-trano ihany izy ireo, kanefa nianatra niandalana fomba fiasa hafa izy ireo.

Na dia rahalahy maro aza no tany am-ponja, dia nanohy nivory ihany ireo tany ivelan’ny fonja. Tsy azo nampiasaina ny efitrano fanta-bahoaka, kanefa nisy fivoriambe nohafohezina natao tany amin’ny trano lehibe nipetrahan’olona. Indraindray dia nisy fivoriambe lehibe kokoa natao tany anaty ala. Natao tao Oldřichov, any akaikin’ny tanànan’i Nejdek, ny voalohany tamin’izany, tamin’ny 1949. Nipetraka teo amin’ny tehezan-kavoana iray nisy vato nivohitra ireo mpanatrika 200. Nisy trano aolo iray sy sompitra ary kamory teo akaiky teo. Nasiana efitra ilay sompitra mba hisy fisoloana akanjo ho an’ny lehilahy, ary koa ho an’ny vehivavy, izay hatao batisa. Nodiovin’izy ireo ilay kamory, ary nasiany tohatra hazo mba hidinana tao anaty rano. Nisy 37 naroboka tamin’io fotoana io.

Ahoana no nahazoana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly hianarana? Manazava izany ny tatitra iray nataon’ny Rahalahy Vykouřil, avy any Teplice, nanao hoe: “Tamin’ny 1950, dia telo monja izahay no nijanona teto Teplice. Naharay Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny frantsay, nalefan’ny anabavy iray tatsy Soisa tamin’ny alalan’ny paositra, izahay. Tapaka ilay fifandraisana nandritra ny fotoana kelikely, nefa avy eo dia nitohy indray. Nanomboka naharay taratasy tamin’ny fiteny an’ohatra aho. Tao amin’ireny taratasy ireny, dia nasaina aho hitady olona iray, izay nahafantatra olon-kafa iray, izay nahafantatra olon-kafa iray koa, ary tamin’izany fomba izany no nanohizana indray ny fifandraisana. Tany am-ponja ireo rahalahy nitarika ny asa, koa tsy maintsy nanohy indray ny fifandraisana tamin’ny fandaminana izahay. Niasa tsy nahazo fanendrena ofisialy izahay, kanefa tena nanao izay nilaina ny rehetra. Nahazo tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana anefa izahay.”

Izany no fiandohan’ny iray tamin’ny fotoan-tsarotra indrindra teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto. Noho ny fanampian’i Jehovah ihany no tsy nampitsahatra ny asa. Na dia teo aza ny fisedrana maro, dia nitombo hatrany izy io.

Fanamaivanana vetivety

Tsy nampoizina ny nanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, na lahy na vavy, avy tany amin’ireo toby fiasana an-tery vozona, tany am-piandohan’ny taona 1950. Inona no niandry azy ireo? Izao no tsaroan’ny Rahalahy Müller: “Faly sady gaga aho nahita fa voalamina tsara ny asa nandritra ny tsy naha teo anay.” Nanosika rahalahy tanora kokoa, anisan’izany i Jan Sebín sy i Jaroslav Hála, hitarika tamin-jotom-po ny asa, ny fanahin’i Jehovah. Voasambotra tamin’ny 1948 ny rain’i Jaroslav (ary maty tany am-ponja tatỳ aoriana), kanefa tonga ohatra sy loharanom-pampaherezana lehibe ho an’ny rahalahy sy ny anabavy maro i Jaroslav. Hitan’ireo nafahana avy tany amin’ny toby fa nitombo 52 isan-jato ny isan’ny Vavolombelona narisika nanerana an’i Tsekôslôvakia teo aloha, tao anatin’ny roa taona, ka tafakatra ho 2 403 ilay isa 1 581. Nisy fitomboana 38 isan-jato ny taona nanaraka.

Nahatonga fitomboana fanampiny ny fivoahan’ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” tamin’ny fiteny tseky, nisy fizarana enina, tamin’ny 1951. Natao fototry ny fampianarana Baiboly tany an-tokantrano io zavatra vita an-tsoratra io. Nirakitra izay nilain’ny mpianatra mba hahazoany fiaingana tsara teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy io.

Tsy faly tamin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ireo manam-pahefana kominista. Nampiditra fotoam-panenjehana mafy hafa indray ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny taona 1952.

Tao anatin’ny “lafaoro nisy afo” indray

Raha vao maraina be tamin’ny 4 Febroary 1952, dia nosamborin’ny iraky ny Fiarovam-pirenena indray ny Rahalahy Müller. Notampenana ny masony tamin’ity indray mandeha ity, rehefa nentina tany am-ponja izy. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Nandritra ny 14 volana nanaraka, dia tsy navela hivoaka ny cellule nanokanana ahy irery aho, raha tsy notampenana ny masoko. Nentin’ilay polisy mpanao famotorana nankao amin’ny biraony aho, isaky ny roa andro teo ho eo. Nofotorana ela be aho, ka nitady handresy lahatra ahy izy ireo mba hiekeko hoe sady nanao asa fitsikilovana aho no namadika tanindrazana. Tatitra maro be no nosoratan’ny polisy, avy eo nopotehiny, ary nanoratra tatitra vaovao indray izy ireo. Nitady fomba vaovao foana ireo mpanao famotorana, mba hampidirana fieken-keloka an-kolaka, fara faharatsiny, tao amin’ilay tatitra. Tsy nety nanao sonia ireny tatitra ireny mihitsy aho. Enina ambin’ny folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, fony aho nafahana, dia nilaza tamiko ny polisy iray avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany, fa tao anatin’ny lisitry ny olona tokony ho novonoina aho. Tamin’ny 27 Martsa 1953, dia notampenana ny masoko rehefa nentina nankao amin’ny fihainoana ara-pitsarana iray tao Pankrác aho. Nampiharana fanerena ara-tsaina goavana ny tenako sy ireo mpiara-miasa tamiko. Naharitra roa andro ilay fihainoana. Notanana ho tsiambaratelo tanteraka ilay izy. Tsy nisy afa-tsy mpanao famotorana avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany no nipetraka teo amin’ireo seza ho an’ny besinimaro.”

Hay, andro nanaovana fisamborana maro be nanerana an’i Tsekôslôvakia ny 4 Febroary 1952. Nisambotra Vavolombelon’i Jehovah nitontaly ho 109 (rahalahy 104 sy anabavy 5) ny Fiarovam-pirenena tamin’io andro io.

Anisan’ireo nogadraina tamin’io andro io i Emílie Macíčková. Hoy ny fitantarany: “Tamin’ny 4 Febroary 1952, raha mbola tany amin’ny hopitaly ny vadiko, dia nisy lehilahy telo sy vehivavy iray iraky ny Fiarovam-pirenena tonga tao an-tranonay tamin’ny telo sy sasany maraina. Nosamborina avy hatrany aho. Nanao sava hao ny trano izy ireo, ary naka izay hitany. Nentin’izy ireo tany amin’ny Sampan-draharaham-paritry ny Polisy tao Ostrava aho. Efa nisy Vavolombelona maro tao. Maromaro izahay no natao indray nisambotra. Cellules mangatsiaka vao nolalorina fotsy, nefa namofona, no nampidirany anay, ka nomeny rano mangatsiaka izahay hisasanay, ary avy eo dia nohidiany ireo varavaram-by. Isaky ny nentiny nivoaka izahay, dia nasainy nanao solomaso mainty. Nandefa olona hitsikilo anay tao anaty cellules-nay izy ireo, kanefa tsy niresaka tamin’ireny olona ireny afa-tsy ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay. Nihira ny hiran’ilay Fanjakana mihitsy aza ireny mpitsikilo ireny, ary mody nivavaka, ka hita tamin’izany hoe tonga hatraiza ireo fahavalonay tamin’ny fiezahany handrava ny finoanay, kanefa nanatanjaka anay i Jehovah!”

Fitsarana nahatsiravina teto Prague

Fotoana nitsarana gadra politika maro teto Tsekôslôvakia tamin’izany. Faran’izay mafy ny sazy nomen’ireny fitsarana ireny — na taona maro tany am-ponja na fanamelohana ho faty. Nitranga tao anatin’izany fotoana izany ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 27 sy 28 Martsa 1953. Tsy natao ren’iza na iza ny sarintsarim-pitsarana roa nitsarana Vavolombelon’i Jehovah nanana andraikitra lehibe. Iray volana taorian’ilay voalohany ilay faharoa. Toy izao manaraka izao ireo sazy: “I Müller sy i Fogel: 18 taona an-tranomaizina. Ireo voampanga Sebín sy i Gros ary i Hála: 15 taona; i Nahálka: 12 taona; i Novák: 8 taona; ary i Porubský: 5 taona. Lasa fananan’ny fanjakana ny fananan’ireo voampanga rehetra ireo, ary ho very zo izy ireo.”

Ny hany fanazavana tonga tany amin’ny besinimaro nahakasika ireo fitsarana ireo dia tao amin’ny gazety. Inona no nolazain’ny gazety? Ohatra iray izao tatitra voaolana izao, nivoaka tamin’ny 30 Martsa tao amin’ilay gazety kominista mpiseho isan’andro hoe Rudé právo (Ny Lalàna Mena): “Tsy misy fomba tsy ampiasain’ny imperialista amerikanina, izay mankahala an’i Tsekôslôvakia demokratikan’ny vahoaka, mba hitarihana ny valalabemandry mpiasa hiala amin’ny lalana mankany amin’ny Sosialisma (...) Ny fitsaram-paritra ao Prague dia nitsara ny endriny iray amin’ny asa mandrava ataon’ny imperialista amerikanina (...) Notsaraina ireo mpitarika ny sekta iray izay miantso ny mpikambana ao aminy hoe Vavolombelon’i Jehovah. Io fikambanana io, izay tarihina avy any Brooklyn, any Etazonia, sady voarara eto amin’ny tanintsika hatramin’ny taona 1949 noho ny fironany handrava, dia nampiditra an-tsokosoko teto Tsekôslôvakia, firehan-kevitra niraisam-pirenena izay mody natao hoe Kristianisma madio, kanefa natao hanimbana tsikelikely ny toe-tsain’ny valalabemandry mpiasa, natao hampirisihana ny hankahalana ny Fanjakana sy ny lalàny, ary nanomboka nanomana ny mpikambana ao aminy ho amin’ny ady any aoriana izay hanaovan’izy ireo ny anjara asan’ny mpiara-miasa amin’ny fahavalo.”

Nanjary modely notahafina nanerana an’i Tsekôslôvakia io fanolanana ny zava-misy mba hanamarinana ny nataon’ny fitsarana io.

Fitadiavana olona toy ny ondry tany am-ponja

Na dia tany am-ponja aza anefa, dia nisy fahafahana hitory. Nila nahay nikaroka hevitra ireo rahalahintsika, ary dia vitany tokoa izany. Nisy olona nandray tsara ny fahamarinana ara-baiboly tany am-ponja. Anisan’izy ireny i František Janeček, avy ao Čáslav. Izao no tsaroany: “Nandritra ny ady, dia niaraka tamin’ny antoko mpanohitra aho. Tamin’ny 1948, dia tsy nanaiky ilay herisetra tamin’ny endriny vaovao aho, ary noho izaho nanohitra an-karihary ny tsy rariny, dia nosazina 11 taona an-tranomaizina aho. Navela hanana Baiboly iray aho tany am-ponja, ary nampianatra ny Baiboly mihitsy aza aho nandritra ireo fotoana tsy niasana. Noheverin’ireo rahalahy ho pretra àry aho. Nipetraka tao amin’ny trano fitobiana samy hafa izahay, kanefa indraindray dia nandray anjara tamin’ny fiambenana tamin’ny alina, nantsoina hoe fiambenana afo, izahay, tany ivelan’ireo trano fitobianay. Indray alina, fony aho niambina, dia nangatsiaka be tamin’izay, ary feno kintana ny lanitra. Nisy voafonja hafa iray koa nivoaka avy tao amin’ny trano fitobiana teo akaiky, ka nanomboka ny anjara fiambenany. Hoy aho taminy: ‘Koa eto koa ianao manompo an’i Farao an?’ ‘Mba fantatrao moa hoe iza i Farao?’, hoy izy nanontany ahy. ‘Ia, ny mpanjakan’i Ejipta.’ ‘Ary fantatrao hoe tandindon’iza izy?’ ‘Tsia!’ ‘Koa avia àry ianao hilazako azy.’ Niara-nandehandeha nandritra ny adiny roa izahay mirahalahy, ary nanome ahy fanazavana tsara izy. Nanao fandrosoana haingana aho. Tia ahy Andriamanitra, ka hitany ny faniriako hahafantatra ny fahamarinana.” Nanatevin-daharana ny Vavolombelon’i Jehovah i František rehefa nianatra ny Baiboly, ary tsy ela izy dia nanao tatitra 70 ka hatramin’ny 80 ora isam-bolana, teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Maro tamin’ireo nianatra ny fahamarinana tany am-ponja no natao batisa tany. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovana izany? Hoy ny fanazavan’i Ladislav Šmejkal, izay nianatra ny fahamarinana fony izy gadra politika: “Tany amin’ilay toeram-pitrandrahana niasanay, dia nahazo nankeo amin’ireo tilikambo fampangatsiahana an’ireo milina lehibe fanerena gaza izahay. Tamin’ny Jona 1956, niaraka tamin’ny olon-kafa maromaro, dia natao batisa tao amin’ny tahirin-dranon’ny iray tamin’ireo tilikambo ireo aho. Tsy mora izany, satria tsy maintsy nanao ilay izy nandritra ny fiatoana fohy, talohan’ny hanombohan’ny asa tamin’ny tolakandro, izahay. Nentinay ny akanjo fanao anatiny, nankany amin’ilay tilikambo izahay, natao batisa, nisolo akanjo haingana, ary avy eo dia namonjy ny asa.” Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy ireo noho ny nanampiany ny mpanompony hahita fomba hanamarihana ny fanoloran-tenany, ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy Kristy. — Matio 28:19, 20.

“Olo-masina” tany amin’ny toeram-pitrandrahana arintany

Nampiharina tamin’ny fomba maro samihafa sy tamin’ny ambaratonga samy hafa ilay fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nitovy izany tany amin’ny toerana rehetra, na tamin’ny fotoana rehetra. Na ahoana na ahoana, dia niezaka nihazona tsy fivadihana kristianina ireo rahalahy, nifanaraka tamin’ny feon’ny fieritreretany. Ho vokany, dia maro tamin’izy ireo no naiditra am-ponja.

Avy eo, tamin’ny 1958, ho vokatry ny didim-panjakana iray, dia nahazo lalana tsy hanao raharaha miaramila ny mpitrandraka arintany latsaka ny 30 taona. Tsy niandry ny hosamborina sy ny homelohina higadra — na angamba hiasa any amin’ny toeram-pitrandrahana — àry ny rahalahy sasany, fa nitady asa tany amin’ny toeram-pitrandrahana kosa, ka somary nanana fahalalahana ihany. (Ohab. 22:3). Koa nanjary nisy “olo-masina”, na “mompera”, araka ny niantsoan’ny olona ireny Vavolombelona ireny, nikarama tany amin’ny toeram-pitrandrahana maro. Maro ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toeram-pitrandrahana sasany, koa nanomboka namorona kôngregasiôna natanjaka izy ireo. Tany amin’ireny kôngregasiôna ireny no nandrosoan’ireo rahalahy ho amin’ny fahamatorana ara-panahy, ka nahatongavany ho mpitory mahay.

Niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray tao amin’ny vohitr’i Kamenné Žehrovice, akaikin’ny tanànan’i Kladno, i Eduard Sobička, nandritra ny folo taona. Hoy izy: “Raha tsy diso ny fitadidiako, dia 30 teo ho eo ny isan’ny rahalahy betsaka indrindra tafaraka tao amin’ilay toeram-pitrandrahana niasako. Nifandimby niasa izahay, ary namorona fitsipika ho anay hoe tsy hiaraka be loatra mba tsy hiavaka be amin’ireo mpiasa hafa. Na izany aza, dia nisarika ny sain’ny maro ireo ‘olo-masina’, araka ny niantsoana anay. Nesoina sy notevatevaina, nefa koa nohajaina mangingina, izahay.” Nanararaotra ny fahafahana hitory izy ireo tany amin’ireny toeram-pitrandrahana ireny, ary rehefa nisy naneho fahalianana, dia nampindrana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly sarobidy koa izy ireo.

Niara-nanao vakansy tamin’ny Vavolombelona hafa

Na dia fotoan-tsarotra aza tamin’izany, dia nanan-toerana teo amin’ny fiainan’ny vahoakan’i Jehovah koa ny vakansy. Tsy fotoana nahazoana famelombelomana ara-batana fotsiny ireny vakansy ireny, rehefa nalamina tamim-pitandremana, fa nanjary fotoana nahazoana fampaherezana ara-panahy koa. Raha olona 10, fara fahabetsany, no niara-nivory tamin’izany fotoana izany, dia alao sary an-tsaina ny fiarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah 30 angamba, nandritra ny herinandro na tapa-bolana!

Zava-dehibe ny nandraisana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena, raha ny amin’ny hoe iza no hasaina. Ireo nanao ilay fandaharana, dia niezaka mba tsy hampiseho hoe aleony tanora toy izay zokiolona, na hoe aleony rahalahy toy izay anabavy. Natao ny ezaka mba hampidirana rahalahy kristianina matotra ara-panahy maromaro, izay hanome ny fanaraha-maso ilaina.

Anisan’ny zavatra nanehoana fiheverana indrindra ny hisian’ny fandaharana ara-panahy voalanjalanja. Izao no fandaharam-potoana isan’andro: Vavaka maraina sy andinin-teny ho an’ny andro ary famakiana Baiboly. Tamin’ny tolakandro sasany, dia nisy fivoriana adiny iray. Tamin’ny takariva, dia matetika no nanaovana fiaraha-mivory ara-panahy nisy fandaharana efa voalamina mialoha. Malalaka ny rehetra tamin’ny fotoana hafa. Azon’ny rehetra natao ny nianatra, ny nandeha nitsangantsangana, ny nandeha nilomano, sy ny toy izany. Mazàna ny fanompoana no nampifandraisina tamin’ny fitsangantsanganana, kanefa nisy fitsipika tsy an-tsoratra tokony harahina koa. Alao sary an-tsaina izany hoe mpitsangantsangana 20 izany. Nahita olona teo an-toerana izy ireo tany amin’ny vohitra, tany anaty ala, ary teny an-tsaha. Rehefa nifanena tamin’ny olona iray izy ireo, dia nihataka tamin’ilay andian’olona ny rahalahy na ny anabavy iray, ka niezaka nanombo-dresaka tamin’ilay olona. Nanohy ny lalany ny sisa.

Nitondra voka-tsoa be dia be ireny vakansy rodobe ireny. Nanatanjaka finoana izy ireny, ary nanampy tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara koa. Tapany tsy nisaraka tamin’ny tantara maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto, ireny vakansy rodobe ireny. Tsy azon’ny mpanompon’i Jehovah natao na oviana na oviana anefa ny nanao tsirambina ny fiambenany ara-panahy, ka tsy hiharan’ny vokany.

Fanafihana feno hafetsen-dratsy

Mitady hampihena tsikelikely ny fatokisana i Satana Devoly, ilay “rain’ny lainga”, amin’ny fanolanana ny zava-misy sy amin’ny fanasoketana ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky. (Jaona 8:44). Nampiasa io paikady io izy mba hampihenana ny herin’ny firenen’ny Isiraely fahiny, mba hitarihana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany hanohitra an’i Kristy, sy mba hanandramana hanakorontana ny kôngregasiôna kristianina tany am-boalohany. (Nom. 13:26–14:4; Jaona 5:10-18; 3 Jaona 9, 10). Mitady hahazo toerana ambony ny olona sasany izay manaiky hampiasainy mba hanatratrarana ny zava-kendreny. Ny hafa mety hihevitra fa marina ny zavatra lazain’izy ireo, saingy mitompo teny fantatra izy ireo nefa tsy mahafantatra ny zava-misy rehetra akory. Afaka mampiasa ireo karazan’olona roa ireo i Satana, ary izany no nataony teto Tsekôslôvakia.

Sarotra ny toe-javatra ho an’ireo rahalahy teto, tamin’ny faramparan’ireo taona 1950. Maro no tany am-ponja. Tapaka ny fifandraisana tamin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny sasany izay nandray an-tanana ny raharaha dia nanome toromarika nampiseho taratry ny fomba fiheviny manokana, fa tsy toromarika niorina mafy tamin’ny Soratra Masina. (Tit. 1:9; Jak. 3:1). Ho setrin’ny fanerena tamin’izany fotoana izany, dia nisy nitana mafy ny heviny momba ny raharaha izay tsy nahafantarany ny zava-misy rehetra. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 18:13, 17.) Nisy vitsivitsy nanomboka ‘nitaona ny mpianatra hanaraka azy’. — Asa. 20:30.

Izao no nosoratan’ny Rahalahy Müller tatỳ aoriana, nahakasika ny fisehoan-javatra tamin’izany fotoana izany: “Indray andro, tamin’ny Janoary 1956, tao amin’ny fonjan’i Valdice, dia nentina tao amin’ny birao iray aho; nisy lehilahy roa niandry ahy tao. Nilaza izy ireo fa avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany. Niezaka nandresy lahatra ahy izy ireo hoe tokony ‘hanalefaka’ ny fampianaranay ara-pivavahana sasany izahay. Tsy afaka ny hanaiky izany izahay, koa natao fohy ilay fanadinadinana. Tamin’ny 1957, dia nisy polisy roa hafa avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany tonga nitsidika ahy. Hafa tanteraka ny rivo-piainana tamin’io fiaraha-nidinika naharitra adiny telo io. Afaka nanazava tamin-kalalahana ny fomba fihevitra sy ny fihetsiky ny Vavolombelona, mahakasika raharaha maro samihafa, aho. Tian’izy ireo ho fantatra ny fihetsitsika manoloana ny raharaha miaramila, ny fampidiran-dra, ny sendika, ary ny zavatra maro hafa. Nanontany ahy toy izao ny iray tamin’izy ireo, tamin’ny farany: ‘Atoa Müller, heverinao ve fa afaka ny ho mpinamana isika?’ Hoy ny navaliko azy: ‘Ny mpinamana dia mifandray am-po sady manan-javatra iombonana maro. Mino an’Andriamanitra izahay Vavolombelon’i Jehovah, kanefa tsy mino azy ianareo Kominista. Tsy manana marimaritra iraisana isika. Heveriko anefa fa afaka ny hiara-monina amim-pilaminana isika.’ Hoy ilay polisy: ‘Mahafaly ahy izany valin-teninao izany, satria raha tsy izany, dia tsy afaka ny hatoky anareo izahay.’ Tsapako fa napetraka iny fanontaniana farany iny mba hamantarana raha nety ho afaka ny hifampiresaka tsara izahay sy izy ireo amin’ny hoavy. Ary raha izany no izy, dia ho fandrosoana kely ho amin’izay vahaolana amin’ilay toe-javatra nisy anay izany.”

Niteraka fifampiresahana nalalaka kokoa teo amin’ny rahalahy sasany sy ny manam-pahefana tao amin’ny fitondrana iny resadresaka iny. Noho ny rivo-piainana tamin’izany fotoana izany anefa, dia nisy Vavolombelona nandre ny amin’ireny fanadinadinana ireny, nihevitra fa nanaiky lembenana ireny rahalahy tompon’andraikitra ireny. Tsy isalasalana fa natosiky ny faniriana mafy hanalavitra izay mety ho fampandeferana ny foto-pitsipika kristianina, ireo izay nihevitra toy izany. Nisy vitsivitsy anefa nitompo teny fantatra ka nilaza an-karihary ny tsy fatokisany an’ireo rahalahy niresaka tamin’ny manam-pahefana tao amin’ny fitondrana. Marim-pototra anefa ve ny tsy fatokisany?

Nisy anton-javatra hafa koa tafiditra. Hoy ny fanazavan’i Juraj Kaminský, izay nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 50 taona mahery: “Rehefa voasambotra ireo rahalahy tompon’andraikitra sy ny loholona maro, ny sasany izay nitarika tao amin’ny kôngregasiôna sy ny fizaran-tany dia nanomboka nametraka fitsipi-pitondran-tena ho an’ny mpitory, ka namorona fitsipika maro be.” Ho tsara lavitra anefa ny ‘handrisihana ny hafa hankato amin’ny alalan’ny finoana’, toy ny nataon’ny apostoly Paoly! (Rom. 16:26, NW ). Koa satria notakin’ny lalàna ny handehanan’ny olona handatsa-bato, dia nisy Vavolombelona nankany amin’ny toeram-pifidianana, saingy tsy nandatsa-bato ho an’ny mpilatsaka hofidina izy ireo, noho ny feon’ny fieritreretana. Nihevitra ny hafa fa nanaiky lembenana izy ireny. Nety ho tsy nahagaga raha toa ny rahalahy sasany ka nankahala mafy ny manam-pahefana, izay ratsy fitondra an’ireo rahalahiny kristianina. Hoy ny Rahalahy Müller: “Nampikorontan-tsaina be ahy io toe-javatra io, koa nanoratra taratasy iray [avy tao am-ponja] aho tamin’ny fararanon’ny taona 1957, noho ny fikendrena ny hanampy ireo rahalahy hanana fomba fijery tsara.” Izao no vakin’ny fehintsoratra iray tao amin’ilay taratasy:

“Misy zavatra hafa mampalahelo mafy ny foko. (...) Ampahatsiahiviko an’ireo rahalahy fa natokana ho amin’ny fianarana ny Soratra Masina ny fivoriantsika, ary koa ho amin’ny fampiofanana ny Vavolombelon’i Jehovah ho tonga mpitory tsara kokoa, mahay kokoa. Mazava ho azy fa tsy azo ekena ny resaka politika na ny filazana fanoheram-panjakana any amin’ireo fivoriana, na aiza na aiza anaovana ireo fivoriana, ary na roa monja na maro ny mpanatrika. Tadidio izany, ry rahalahy, ary aza mamela ny hanaovana resaka toy izany. Misy aminareo ve manana lolompo amin’ny fitondram-panjakana, satria atỳ am-ponja izahay? Raha izany no izy, dia miangavy anareo aho noho ny amiko sy ny amin’ireo rahalahy hafa, mba hanaisotra izany fihetseham-po izany. Aza manaiky ho resin’ny fahatezerana sy ny fankahalana, satria efa nentinay teo anatrehan’Andriamanitra ilay raharaha, ary izany koa no ataonareo.” — Rom. 12:17–13:1.

Nampahery be dia be an’ireo rahalahy sy anabavy nahatoky io taratasy io. Hoy i Jan Tesarz: “Naharay io taratasiny nosoratana tany am-ponja io izahay, tamin’ny 1957. Tsy nisy soritry ny fanekena lembenana, fa fahalalana ny antonony mampiavaka ny Kristianina kosa!” Tsy ny rehetra anefa no niombon-kevitra tamin’izany. Nanjary fototry ny adihevitra sy ny fanombantombanana be ny taratasin’ny Rahalahy Müller.

Tafasaraka tamin’ny kôngregasiôna

Nisy fanambarana famotsorana gadra politika maro tamin’ny May 1960, koa nafahana ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany am-ponja, taorian’izany. Nahafinaritra erỳ izany! Na dia teo aza ny fandrahonana, dia nanohy avy hatrany ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo. Tadidin’ny maro tamin’izy ireo ny ohatra navelan’ireo apostolin’i Jesosy Kristy, izay nivavaka mba hanana fahasahiana hanohizana ny fitoriana ny teny, raha vantany vao nafahana. (Asa. 4:23-31). Nisy fisedrana vaovao anefa niandry azy ireo.

Nisy fisalasalana sy tsy fatokisana nitombo tsikelikely teo amin’ireo rahalahy. Rehefa nandefasan’ny Rahalahy Müller taratasy iray ireo rahalahy mba hanazavany ny tarehin-javatra, dia nisy nitompo teny fantatra sady be fanakianana, tsy namela ny hamakiana ilay taratasy tamin’ireo kôngregasiôna. Tamin’ny 1959, dia 2 105 ny isan’ny Vavolombelona narisika teto Tsekôslôvakia, saingy maherin’ny 1 000, na dia mbola nilaza ho nanompo an’i Jehovah aza, no tsy nanompo azy tamim-piraisan-tsaina niaraka tamin’ireo Kristianina namany taloha intsony. Nilaza mihitsy aza ireo mpitarika an’ireo tafasaraka tamin’ny kôngregasiôna ireo fa nankasitraka azy ny foibe tany Brooklyn, any New York, sy i N. H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany.

Nisy fisehoan-javatra hafa koa vao mainka nampitombo ny ahiahin’izy ireo tamin’ny Kristianina namany taloha. Nanjary takatry ny manam-pahefana tao amin’ny fitondrana teto Tsekôslôvakia tamin’izany fotoana izany, tamin’ny ankapobeny, fa tsy mpitsikilon’ny imperialista amerikanina akory ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny niampangana azy. Fantatry ny manam-pahefana koa fa tsy ho voasakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy ho resy lahatra hampandefitra ny finoany izy ireo. Noho izany, dia nanao dingana ny hifampiresaka tamin’ny Vavolombelona ny governemanta, izay fitondrana kominista tsy refesi-mandidy. Fifampiresahana an-tery ilay izy. Ny zava-nokendren’ny Fiarovam-pirenena, dia ny hahazo antoka fa tsy hampiasaina hanoherana ny fitondrana ny fiheverana ara-pivavahana, fa raha azo atao, dia hampiasaina hanohanana ny fitondrana kosa. Indraindray ny fomba nisehoan’ireo fifandraisana dia fampiantsoana ny Rahalahy Müller, na ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, hankany amin’ny paositry ny polisy mba hofotorana. Indraindray kosa, dia toa resadresaka tamim-pisakaizana tao amin’ny trano fisotroana kafe ilay izy.

Nihevitra ny mpitazana sasany, izay tsy nahalala ny zava-nisy rehetra, fa niara-niasa tamin’ny Fiarovam-pirenena fahavalo ireo rahalahy nandray anjara tamin’ireny resadresaka ireny. Natao lisitra ny anaran’ireo noheverina fa niara-niasa tamin’ny fahavalo, ka nampidirina tao amin’io lisitra io mihitsy aza ny anaran’ny sasany tamin’ireny rahalahy ireny; nampangaina ho nanova lahatsoratra tao amin’ny zavatra vita an-tsoratra, mba hampifanarahana izany tamin’ny fanirian’ny Fiarovam-pirenena koa, izy ireny.

Fampirisihana tamim-pitiavana mba “hitady an’i Jehovah”

Velom-panahiana mafy ny amin’ny asan’ny Tompo sy ny amin’ireo niezaka nanompo tamim-pahatokiana niaraka tamin’ny fandaminan’i Jehovah, ny Rahalahy Knorr. Nanoratra taratasy ho an’ireo rahalahy teto Tsekôslôvakia izy tamin’ny 7 Desambra 1961, ka nisarika ny sain’izy ireo ho amin’ireo andinin-teny toy ny Mika 2:12 sy ny Salamo 133:1. Nohazavainy ny toerana tanan’ny Fikambanana mahakasika raharaha maro samihafa, ary nolazainy fa nanohana an’ireo rahalahy nanankinana andraikitra izy. Raha ny marina, izany dia fampirisihana an’ireo rahalahy tamim-pitiavana mba “hitady an’i Jehovah”, izany hoe mba hahay hanavaka ny fomba fiasan’ny fanahin’i Jehovah mba hanatanterahana ny teniny, ary koa mba hiara-miasa amim-pirindrana amin’ireo masoivoho nampiasain’i Jehovah. (Zak. 8:21). Izao no voalazan’ny fehintsoratra iray tao amin’io taratasy io:

“Ry rahalahy malalako, (...) Nasehon’ny filazana tonga tatỳ amiko fa mihazona ny firaisan-tsaina kristianina amin’ny fomba teôkratika ny ankamaroanareo any Tsekôslôvakia. Noho ny tsy fahampian’ny fifampitan-kevitra anefa, dia nisy vitsivitsy namela ny tsaho sy ny fifosana hampipoitra fisalasalana tao an-tsainy, ka nahatonga ny sasany tsy hiara-miasa na tsy hamerina ny tatitra momba ny fanompoany. Mitarika ireo vitsivitsy ireo ho amin’ny tsy fahasambarana sy ny fikorontanana fotsiny izany, ary izany rahateo no efa nitranga. Noho izany, dia tiako hampahafantarina anareo amin’ny alalan’ity taratasy ity fa eken’ny Fikambanana ho mpiandraikitra kristianina any Tsekôslôvakia ny Rahalahy Adam Januška sy ny Rahalahy Bohumil Müller ary ireo rahalahy miara-miasa aminy, ary miangavy anareo aho hitadidy ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 13:1, 7, 17. Mihevitra anareo ireo rahalahy ireo, ary miezaka hanampy ny rehetra hijoro ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Koa miaraha miasa amin’izy ireo amim-panetren-tena, ary dia hiara-miasa aminareo izy ireo, ho fiderana an’i Jehovah.” Nampalahelo anefa fa tsy ela taorian’ny naharaisana io taratasy io, dia tsy maintsy noroahina i Adam Januška, noho ny fitondran-tenany tsy mendrika ny Kristianina.

Nisy nankasitraka ny taratasin’ny Rahalahy Knorr, saingy tsy ny rehetra no nanaiky ny fanitsian’ny toroheviny. Raha ny marina, dia niharatsy ny toe-javatra tamin’ny 1962. Nisy lahatsoratra nifampitohitohy navoaka tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana, nanazava ny andraikitry ny Kristianina eo anatrehan’Andriamanitra aloha, ary avy eo anatrehan’ny manam-pahefana ao amin’ny fitondrana, na “ireo fahefana ambony” voalaza ao amin’ny Romana 13:1 (NW ). Fanitsiana ny fahazoantsika hevi-javatra ireo lahatsoratra ireo. Ireo izay tsy nanam-patokisana sy tia nanakiana, dia nampiely tsaho hoe notefitefen’ny Rahalahy Müller teo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Atitany, hono, ireo lahatsoratra ireo, raha ny marina. Inona no tokony hatao? Tsy nandany fotoana hiezahana hampiaiky an’ireo tsy naniry ny hampiekena tamin’izany fotoana izany ireo rahalahy, fa nifantoka kosa tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny olona noana sy nangetaheta ny fahitsiana.

Taona maro tatỳ aoriana, dia nahita ny porofon’ny fitahian’i Jehovah ny fandaminana ny sasany izay nandao azy io, ka nangataka ny hiverina. Nisy hafa kosa anefa nitoetra ho tafasaraka tamin’ny fandaminana, hatramin’ny 1989, raha naneho hatsaram-panahy ny Fitambara-mpitantana ka nandefa taratasy “Ho An’ireo Maniry Hanolotra Fanompoam-pivavahana ho An’i Jehovah sy Hanompo Azy Amim-piraisan-tsaina”. Nisarika ny saina ho amin’ireo faminaniana ao amin’ny Zakaria 8:20, 21 sy ny Isaia 60:22, izay efa tanteraka izao, io taratasy io. Nanantitrantitra torohevitra sy fari-pitsipika araka ny Soratra Masina hita ao amin’ny Matio 24:45-47 sy ny 1 Korintiana 10:21, 22 ary ny Efesiana 4:16, io taratasy io, izay nisy ampahany nanao hoe:

“Malahelo izahay nandre fa mbola tsy miara-miasa amin’ilay fandaharana teôkratika sy mbola tsy manaraka ireo fomba fiasa teôkratika arahin’ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany ianareo, hatramin’izao. Mampirisika anareo izahay, amin’ny alalan’ity taratasy ity, mba hampiseho ny porofon’ny fanirianareo hiara-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, araka izay nanorenana azy maneran-tany sy araka izay maha izy azy ao amin’ny taninareo. Afaka maneho izany faniriana ara-drariny izany ianareo, amin’ny fanekenareo ireo rahalahy nofantenanay. Vonona izy ireo ny hanao fandaharana mba hamakiana ity taratasy ity aminareo. Azonareo atao ny matoky tanteraka ireo rahalahy ho tonga any aminareo izay hampahafantatra ny tenany amin’ny alalan’ity taratasy ity ho nahazo lalana taminay. Manana tombontsoa izy ireo hanasa anareo hiverina ho amin’ilay andian’ondry tokana, ka tsy ho tafasaraka aminy intsony. — Jaona 10:16.”

Izany zavatra nataon’ny Fitambara-mpitantana izany, dia nandray anjara be dia be tamin’ny fanarenana ny fahavoazana nateraky ny fanafihana feno hafetsen-dratsin’i Satana an’ireo kôngregasiôna, tamin’ny fotoana tsy nananan’izy ireo fifandraisana tamin-kalalahana tamin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso.

Fandaminan-javatra sy fampiofanana ho amin’ny fanompoana fanampiny

Rehefa avy nafahana tany am-ponja ny Vavolombelona tamin’ny taona 1960, dia mbola betsaka ny zavatra tokony hatao nifandray tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara teto Tsekôslôvakia. Zava-dehibe ny fahaiza-mandamin-javatra sy ny fampiofanana tsara mba hanatanterahana izany. Ny fahatratrarana ireo zava-kendrena ireo, dia porofo nampiaiky ny amin’ny fiarovan’i Jehovah sy ny fitahiany tamim-pitiavana, na dia sarotra aza ny toe-draharaha tamin’izany fotoana izany.

Dingana lehibe teo amin’ny fandaminan-javatra teôkratika ny fanorenana ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tamin’ny 1961, mba hanomezana fampiofanana ara-baiboly manokana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny mpikarakara ny kôngregasiôna (fantatra ankehitriny hoe mpiandraikitra mpitantan-draharaha). Tsaroan’i Karel Plzák, avy eto Prague, mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’izany fotoana izany, ny kilasy voalohany. Tokony ho natao tao akaikin’i Karlovy Vary izy io. Nanjary fantatry ny Fiarovam-pirenena koa anefa ny toerana hanaovana azy io. Nisy fandaharana natao àry tamin’ny minitra farany mba hivorian’ireo rahalahy tao amin’ny trano kely iray an’olona manokana.

Rahalahy tanora maro tamin’izany fotoana izany no nahatakatra ny maha zava-dehibe ny fanompoana an’i Jehovah. Nanjary matotra haingana ny sasany, ary tsy ela dia nasaina hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Iray tamin’izy ireny i Jaromír Leneček, izay mpitarika ny fianarana ny boky teo amin’ny faha-14 taonany. Voatendry ho mpanampy ny mpiandraikitra ny kôngregasiôna izy teo amin’ny faha-16 taonany, ary nasaina hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana teo amin’ny faha-20 taonany. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izy ankehitriny.

Nisy fandaharam-piofanana fanampiny naorina tamin’ny 1961, ka nandray anjara lehibe tamin’ny fanatsarana ny fanompoana teny amin’ny saha. Voatendry hampiofana mpitory tsy dia za-draharaha loatra ny mpitory za-draharaha. Niara-nanomana ny fanompoana teny amin’ny saha izy ireo, ary niara-niasa. Ny zava-nokendrena dia ny hanome fampiofanana ampy ho an’ilay niofana mba hahafahany hanampy ny hafa indray kosa. Fitoriana tsy ara-potoana ihany no azo natao tamin’izany fotoana izany, kanefa nanampy mpitory maro ho tonga mpidera an’i Jehovah nahita vokatra ilay fampiofanana.

Matetika no manara-maso amim-pitandremana ireo taratasy alefa paositra ny fitondram-panjakana tsy refesi-mandidy. Koa nanjary nanan-toerana lehibe teo amin’ny fifandraisana teôkratika ny mpiandraikitra mpitety faritany teto Tsekôslôvakia. Tsindrian-daona erỳ ny rehetra niandry ny fitsidihana tsirairay nataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Izao no tsaroan’i Eduard Sobička: “Tsy maintsy nanana asa fivelomana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, ka tsy afaka niara-niasa tamin’ny kôngregasiôna izy raha tsy isaky ny tapa-bolana, tamin’ny faran’ny herinandro, nanomboka ny zoma ka hatramin’ny alahady hariva, izany hoe 5 andro teo ho eo tamin’ny fitambarany, tao anatin’ny iray volana. Izany anefa no fotoana iarahan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany miasa amin’ny kôngregasiôna iray ao anatin’ny herinandro, any amin’ny tany tsy misy fameperan’ny lalàna. Mazàna àry dia tsy nisy afa-tsy kôngregasiôna enina monja no nahaforona fizaran-tany iray.” Tamin’ny alalan’ireny rahalahy ireny no nihazonana ny fifandraisan’ireo kôngregasiôna, ka nahafahany naharaka ny vaovao farany.

Rehefa hadino ny ho malina

Indraindray, rehefa niroborobo ny asa, dia mora hadino fa mbola voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisihan’ireo rahalahy mpiandraikitra ny hananana saina nahay nitsara zavatra tamin’izay rehetra natao. Tsy afa-po tamin’izany fomba fiasa izany anefa ny sasany, fa naniry hahazo vokatra haingana kokoa.

Indray andro, tamin’ny 1963, tao amin’ny zaridainam-panjakana iray teto Prague, dia nisy rahalahy roa namory vahoaka. Niakatra teo ambonin’ny dabilio iray ny rahalahy iray, ka nanomboka nanao lahateny. Rehefa nanohitra izay nolazainy ny lehilahy iray teo anivon’ilay vahoaka, dia nantsoin’ilay rahalahy hoe iraky ny Devoly izy. Tonga ny polisy, ary nasainy nampahafantatra ny mombamomba ny tenany izy mirahalahy, kanefa tsy nifarana teo ilay raharaha. Nitarika fisamborana be dia be nataon’ny polisy io fisehoan-javatra io. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, dia rahalahy sy anabavy maherin’ny 100 teto Prague no naiditra am-ponja. Niteraka zavatra roa ilay izy: fitsarana sy lesona ho an’ireo rahalahy. Notsaraina sy nahazo sazy ny enina tamin’ireo voasambotra.

Tsy nampiadam-pamindra ny fanompoana akory iny fisehoan-javatra iny, saingy nampahatsiahy an’ireo rahalahy fa nilaina ny ho hendry. (Ohab. 3:21, 22). Tena zava-dehibe indrindra izany tamin’ny faramparan’ireo taona 1960, rehefa velona ny fanantenana fa hesorina ilay fandrarana.

Nanangasanga ve ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana?

Nitondra fiovana tsy nampoizina ny taona 1968. Nahazo fahefana ireo Kominista nolazaina hoe mpitondra fanavaozana, ka nanomboka niezaka hanova ny fitondrana ho demokratika. Noraisin’ny vahoaka tamim-pifaliana izany fiovana izany, ary nisy firesahana ny amin’ny “sosialisma tsara fanahy”.

Nanao ahoana ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah teo anoloan’izany fiovana izany? Malina izy ireo. Na dia nahafaly azy ireo aza ny fanalalahana ny rafi-pitondrana, ka nantenainy ny hanesorana ilay fandrarana, dia tsy maimaika izy ireo sao hanenina any aoriana. Hita ho fahendrena izany. (Ohab. 2:10, 11; 9:10). Valo volana taorian’ilay fahafahana antonontonony, dia niditra tao amin’ny faritanin’i Tsekôslôvakia ireo tafiky ny firenena dimy tao amin’ny Dinan’i Varsovie. Nisy miaramila 750 000 teo ho eo sy tanky 6 000 namarana ilay “sosialisma tsara fanahy”. Kivy izaitsizy ny vahoaka. Ny fialanalanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ilay “lohataonan’i Prague” anefa, dia nanampy be dia be azy ireo tatỳ aoriana, satria voatery niaiky ny manam-pahefana fa tsy nanohintohina ny fitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahagaga fa nanana fahafahana handeha tamin-kalalahana nankatsy Eoropa Andrefana ireo mponina teto Tsekôslôvakia, nandritra ny fotoana kelikely, taorian’ireny fisehoan-javatra ireny. Vavolombelon’i Jehovah maro no nanararaotra io fahafahana io, ary noho ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany” nalamina ho an’io taona io no tena anton’izany. Rahalahy sy anabavy 300 teo ho eo avy tamin’ny faritra rehetra nanerana an’i Tsekôslôvakia no nankany Nuremberg, atsy Alemaina Andrefana, izay tanàna akaiky indrindra nisy fivoriambe. Nahazo tanjaka ara-panahy be dia be indray izy ireo tamin’ilay fivoriambe. Tsy ela anefa dia nakatona indray ireo sisin-tany.

Nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1970 ny vanim-potoana iray nantsoina hoe famerenana ny politika tamin’ny laoniny. Nesorina tamin’ny toerany politika sy ara-kolontsaina avokoa izay rehetra niandany tamin’ilay hetsika fanavaozana tamin’ny 1968. Nisy fiantraikany teo amin’ny olona efa ho 30 000 ilay izy. Saika ny ampahefatry ny polisy tao amin’ny Fiarovam-pirenena no niandany tamin’ilay fanavaozana, ka namoy ny asany. Nilaza ny olona sasany fa niverina ny Vanim-potoan’ny Haizina.

Na dia tsy nitovy tamin’ilay vanim-potoana tamin’ireo taona 1950 aza ilay izy, dia nanara-maso akaiky indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fiarovam-pirenena. Nisy rahalahy naiditra am-ponja, tany amin’ny faritra sasany. Tsy nitsahatra nitory ny Vavolombelona, saingy malina kokoa izy ireo.

“Enina arivo taona nisian’ny olombelona”

Tamin’ny 1969, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny tseky dia nanomboka namoaka fitohitohizan-dahatsoratra niorina tamin’ilay boky hoe La vie éternelle dans la liberté des fils de Dieu. Nirakitra fanazavana momba ny Jobily sy ny fandaharan-taonan’ny Baiboly ny toko voalohany, teo ambanin’ny lohatenikely hoe “Efa Hifarana ny Enina Arivo Taona Nisian’ny Olombelona”. Nisy heriny tsara teo amin’ny sasany io fanazavana io; niteraka fanontaniana maro sy fanombantombanana be koa anefa izy io.

Nandefa taratasy ho an’ny kôngregasiôna rehetra ny biraon’ny sampana teto Tsekôslôvakia, tamin’ny 22 Febroary 1972. Nanome fanazavana lava be momba ireo antony tsy tokony hanaovantsika fanantitranterana hentitra momba ny daty hanombohan’ny Haramagedona io taratasy io. Nomarihin’izy io fa tsy nisy zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana nilaza hoe ho tonga amin’ny taona izao na izao ny Haramagedona. Hoy ny famaranan-teniny: “Mahafantatra tsara ireo fanazavana ireo ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ary tsy misy tokony hanampy fanantitranterana manokana ny amin’izay hitranga aloha na mandritra ny taona 1975. Tsy miorina amin’ny Soratra Masina izay rehetra mety ho fanantitranterana toy izany, ka mety hisy vokany manimba eo amin’ny asa fitoriana. Miezaha mafy àry mba ‘hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra’. (1 Kor. 1:10). Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala”. — Matio 24:36.

Inona no nitranga?

Tamin’ny Febroary 1975, dia rahalahy maromaro no nosamborin’ny polisy. Mbola nisy hafa koa voasambotra tao anatin’ilay taona, tany amin’ny faritra samihafa. Hoy i Stanislav Šimek, avy ao Brno, izay efa nigadra imbetsaka talohan’izay: “Tamin’ny 30 Septambra 1975, dia voasambotra aho ary nosavana ny tranoko sy ny toeram-piasako. Nalain’ny polisy ny zavatra vita an-tsoratra dimy gony. Fantatro tatỳ aoriana fa iraky ny Fiarovam-pirenena 200 teo ho eo no nandray anjara tamin’ilay fisamborana. Nisava trano 40 sy naka zavatra vita an-tsoratra antsasa-taonina izy ireo. Nomelohina higadra 13 na 14 volana an-tranomaizina izahay.”

Nahasorena be ireo fisavana trano. Matetika ny tranon’ny mpiandraikitra no nisy ireo tatitry ny kôngregasiôna, ary sarotra ny nanafina tsara azy ireny. Imbetsaka anefa i Jehovah no nanajamba ny mason’ireo naniry hanisy ratsy ny mpanompony. Izao no tsaroan’ny Rahalahy Mařák, avy ao Plzeň: “Mpiandraikitra ny fanompoana aho tamin’izany fotoana izany. Tao anaty lalimoara nisy varavaram-pitaratra no nametrahako valopy lehibe iray nirakitra tatitra momba ny fanompoana sy vola fanomezana ary lisitry ny anaran’ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra. Rehefa nanatona an’ilay lalimoara ireo lehilahy nitarika ilay fisavana, dia nijery ahy ny vadiko ary nanomboka nivavaka mangina nitalaho ny fanampian’i Jehovah. Nijery tsara an’ilay valopy lehibe volondavenona avy teo amin’ilay fitaratra ireo polisy, kanefa toy ny hoe nohajambaina izy ireo ka tsy nahita. Nisaotra an’i Jehovah tamin’ny fonay rehetra izahay noho io fiarovany io.”

Indraindray dia nisy lafiny nampihomehy tamin’ny fomba nitondran’ireo manam-pahefana ireo rahalahintsika. Toy izao no nitranga tamin’i Michal Fazekaš, izay vita batisa tamin’ny 1936 ary efa nigadra imbetsaka: “Nomelohina indray aho tamin’ny 1975. Nomena sazy mihantona aho, tamin’ity indray mandeha ity. Mahaliana anefa fa tamin’io taona io ihany, izay tsingerin-taona faha-30-n’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nasondrotra ny vola fisotroan-drononoko ho valisoa noho ‘ny niezahako hampihena ny herin’ny tafiky ny Reich alemà’, satria aho nalefa tany amin’ny toby fitanana, noho ny fialanalanana kristianina.”

Fanoritana ny faritanin’ny kôngregasiôna

Tamin’ny 1 Febroary 1976, dia natsangana ny komity iray voaforona rahalahy dimy, mba hikarakara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia. Anisan’ilay komity i Ondřej Kadlec, i Michal Moskal, i Bohumil Müller (mpandrindra), i Anton Murín, ary i Eduard Sobička.

Tamin’ny faramparan’io taona io, dia nandeha nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Failandy i Ondřej Kadlec, noho ny antony manokana. Voamariny fa nisy sarintanin’i Failandy nampiseho ny faritanin’ny distrika sy ny fizaran-tany ary ny kôngregasiôna, tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Rehefa tafaverina teto izy, dia nanolo-kevitra ny hanaovana toy izany koa teto Tsekôslôvakia, tao amin’ny fivoriana iray nataon’ilay komity. Nohazavain’ny Rahalahy Müller tsara anefa fa nety hampiahiahy ny manam-pahefana tao amin’ny fitondrana ny sarintany toy izany, ka hiteraka fahavoazana tsy tambo isaina. Izao no tsaroan’ny Rahalahy Kadlec: “Tsy niriko mihitsy ny hiresaka indray ny amin’ilay izy. Roa volana monja tatỳ aoriana anefa, dia ny Rahalahy Müller ihany no niresaka ny amin’ilay izy.” Nanjary niharihary fa nilaina ny fandaharana toy izany. Tsy ela dia tafiditra tamin’izany ny kôngregasiôna rehetra.

Ahoana anefa no tokony hizarana ny faritanin’i Tsekôslôvakia, izay nanana kôngregasiôna 220 tao amin’ny distrika 8 sy fizaran-tany 35? I Jaroslav Boudný, avy eto Prague, no voatendry hanao izany. Hoy ny fitantarany: “Nomena fahafahana be dia be hanao izay noheveriko fa nety aho. Ary nahafinaritra ny niara-niasa tamin’ny Rahalahy Müller, izay tena nijery ny tsipiriany madinika rehefa niasa. Nanjary revo be tamin’ilay asa nanendrena ahy àry aho, sady nivavaka be dia be, no feno hafanam-po tanteraka. Nilaina ny nirakitra an-tsoratra faritra an’arivony maro mampisaraka ireo faritanin’ny kôngregasiôna, ary koa ny nanao soritsoritra maro be.”

Fiasana faritany hafa

Rehefa vita ny fanomezana faritany ho an’ny kôngregasiôna, dia nasaina nikarakara faritany tsy nisy tompony ireo kôngregasiôna afaka nanao izany. Nampihetsi-po ny fahavononan’ny kôngregasiôna maro, indrindra fa ireo kôngregasiôna nanodidina an’i Ostrava, atsy Moravia, hanaiky ireny fanendrena fanampiny ireny. Tsy maintsy nandeha hatrany amin’ny 200 kilaometatra ny sasany, mba hahatongavana tany amin’ilay faritany.

Ahoana no fomba nandaminana ilay asa? Nandeha nandritra ny faran’ny herinandro manontolo ireo rahalahy; niainga ny asabotsy maraina izy ireo ary niverina ny alahady hariva. Feno foana ireo fiara, ary nianto-tena ireo rahalahy. Nety ho isaky ny tapa-bolana no nanaovan’ny mpitory dia lavitra toy izany.

Nampirisihina ireo mpitory mba hiseho ho toy ny mpizaha tany, hamela ny fiarany tany ivelan’ny tanàna, hamakivaky ny tanàna amin’ny zotra iray ihany, hanombo-dresaka amim-pisakaizana ka hamily ny resaka tsikelikely amin’ny fanaovana fanambarana, ary raha misy fanoherana, dia hiverina amin’ilay foto-dresaka voalohany ka hamarana ilay resaka amim-pisakaizana. Tao anatin’ny folo taona, dia zara raha nisy zava-nanahirana.

Mba hiasana faritany hafa, ny mpisava lalana sasany izay natolotry ny loholona dia voatendry nandritra ny fe-potoana voafetra. Toy ny tamin’ireo taona teo aloha, dia mazàna izy ireo no nalefa nandritra ny herinandro na nihoatra. Anisan’ireo voalohany teto Prague ny anabavy roa, dia i Marie Bambasová sy i Karla Pavlíčková, izay niara-niasa nandritra ny efa ho 30 taona. Izao no tsaroan’i Karla: “Nisotro ronono i Marie tamin’ny 1975. Roa andro taorian’izay, dia niainga hanao ny asan’ny mpisava lalana tatsy Moravia izahay mirahavavy. Fotoan’ny fanenjehana tamin’izany, koa nety ho nampidi-doza ny fanompoana toy izany, indrindra tao amin’ny faritra nisy anay. Teo akaikin’ny sisin-tanin’i Aotrisy no niasanay. Nanome toromarika toy izao ny rahavavy iray teo an-toerana: ‘Aza mitondra zavatra vita an-tsoratra eny aminareo. Raha tratra ianareo, dia lazao hoe mitsangantsangana ianareo, ary avy eo dia ilaozy ilay faritra, ka aza miverina atỳ amiko. Halefako ny entanareo any aoriana.’ Nitahy anay anefa i Jehovah. Nahafinaritra ny fanompoanay voalohany toy izany. Nanao ny asan’ny mpisava lalana toy izany izahay isan-taona, ary nalefa nankany amin’ny toerana niovaova foana.”

Lasa lavitra mihitsy aza indraindray ireo nandeha nanao ny asan’ny mpisava lalana toy izany. “Mila fanampiana, ry rahalahy, ny atsy Boligaria a! Mahay teny rosianina ianao, ka ho afaka hanao ilay asa.” Izany no nolazaina tamin’ny rahalahy iray avy teto Prague, tamin’ny faramparan’ireo taona 1970. Nanolo-tena hankatsy Boligaria tsy tapaka izy sy ny vadiny, indraindray indroa isan-taona mihitsy aza, ary nanohy nanao izany nandritra ny 13 taona.

Tsy ampy angaha ny asa teto Tsekôslôvakia no tsy maintsy nankatsy Boligaria, izay tao anatin’ny toe-draharaha sarotra kokoa, ny mpitory tseky? Be dia be ny asa tokony hatao teto Tsekôslôvakia, saingy naniry mafy koa ny hanampy tany amin’izay nila fanampiana ny sasany.

Nahakasika ny saha tatsy Boligaria tamin’izany fotoana izany, dia izao no fanazavan’ilay rahalahy avy teto Prague, izay nandray anjara tamin’io asa io: “Tena tia mandray vahiny ny Boligara. Nahatonga anay hanjary hifankahazo am-po tamin’izy ireo izany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary takatray ny toe-javatra nisy azy ireo. Ny havany ihany no tena nizarany ny fahamarinana. Mbola tsy noeritreretin’ny ankamaroan’izy ireo mihitsy ny hoe azony natao ange ny nanatona olona teny amin’ny arabe. Indray mandeha, fony aho voatendry hitarika ny Fahatsiarovana tao Sofia, dia nohararaotiko ny fisian’ny mpitory maromaro teo. Nanao fitantarana sy fampisehoana izahay, ka nampiseho tamin’ireo mpitory ny fomba fitory ‘tsy misy atahorana’ kokoa. Fadina ny milaza hoe ‘Mianatra ny Baiboly aho’, fa aleo kosa manombo-dresaka momba ny foto-kevitra tsotra, ary avy eo dia hamily ny resaka tsikelikely ho amin’ny Baiboly. Azo atao ny milaza hoe: ‘Reko fa milaza ny Baiboly hoe (...)’ Faly ireo mpitory nanaiky io fomba fiasa vaovao io, ary nanomboka niparitaka ny hafatra momba an’Andriamanitra, fa tsy voafetra ho teo amin’ny olom-pantatra ihany.”

Tsy nahafaly ny manam-pahefana ny asanay tamin-jotom-po

Vetivety foana dia voamariky ny mpanenjika anay izay rehetra nety ho fampitomboana ny ezaka fitoriana ny vaovao tsara, na dia niezaka ho malina aza ireo rahalahintsika. Anisan’ny nisarika ny sain’ny manam-pahefana politika sy ny polisy ny kôngregasiôna tao Nejdek, any akaikin’i Karlovy Vary. Hoy i Juraj Kaminský, izay mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny taona maro: “Nisy fotoana ninoan’izy ireo mafy mihitsy hoe avy tao Nejdek no nitarihana ny asa nanerana an’i Tsekôslôvakia. Matetika ireo olo-manan-kaja kominista no nifampidinika ny amin’ny fomba hisakanana ny asanay. Indray mandeha, dia nisy manam-pahaizana manokana maro tonga avy tany Prague, ka nisy zaikabe natao tao amin’ny hotely iray tao Karlovy Vary. Nisy manam-pahefana roa tao amin’ny fitondrana sy solontenan’ny minisitera ary polisy nanatrika ilay izy. Roanjato teo ho eo izy ireo.

Napetraky ny mpandahateny teo amin’ny polipitra ilay bokintsika hoe Fahamarinana. Nolazalazainy tamin’ny an-tsipiriany ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nomarihiny fa mpandamin-javatra tena nahay tokoa isika. Rehefa nahatratra ny fara tampon’ny fiderana ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nanambara hoe: ‘Tsy maintsy mihoatra azy ireo isika, raha mbola tiantsika ny hifehy azy!’ ”

Nenjehina noho ny fanomezam-boninahitra an’i Jesosy Kristy

Tsy azo nafenina tamin’ny polisy kominista ny datin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nampahatsiahy toy izao ny amin’ny Fahatsiarovana iray i Božena Pětníková, izay nipetraka teto Prague: “Tamin’izany fotoana izany, dia vitsy kely ireo anadahy tao amin’ny kôngregasiôna, koa voatendry hitarika fivoriana tany an-tokantranon’olona manokana ireo rahavavy. Folo izahay, fara fahabetsany, rehefa niara-nivory. Tamin’ny 1975, dia tokony hivory tao amin’ny toerana iray mbola tsy nanaovana fivoriana mihitsy ny groupe-nay, mba hankalaza ny Fahatsiarovana. Rehefa afaka 40 minitra teo ho eo, dia nanelingelina anay ny fanenon’ny lakolosim-baravarana sy ny fandakana mafy ny varavarana. Nitohy ihany ilay tabataba, ka nanokatra ny varavarana ilay rahavavy tompon-trano. Nisy lehilahy telo niditra ny trano, ka ny roa nanao fanamian’ny polisy, ary ny iray nanao fitafiana sivily. ‘Andray! Rtoa Pětníková marina! Tsy fantatray hoe ho hitanay ato ianao. Fa inona no ataonao ato?’, hoy ilay nanao fitafiana sivily. ‘Mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy izahay. Mipetraha kely ange, aza fady, e fa hofaranantsika ilay fankalazana’, hoy ny navaliko tamim-pahatoniana. Mazava ho azy fa tsy nety nipetraka izy ireo. Nasainy hampiseho ny kara-panondronay izahay, ary nofotorany tsikelikely ny amin’ny antony naha teo azy ny tsirairay. Rahavavy be taona iray no hofotorana manaraka. Somary natahotra ihany aho ny amin’izay holazainy. Nampahery anay rehetra anefa ny valin-teniny, nanao hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah aho, ary manome voninahitra an’i Jehovah.’ ‘Soa ihany fa be taona ianao’, hoy ilay polisy, izay gaga nahita ny herim-pony. Avy eo dia nanery anay ho any amin’ny paositry ny polisy izy ireo, ary tany aho dia voatery nanao sonia ny filazana hoe nitarika ny fankalazana ilay Fahatsiarovana.”

Roa ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1987, tany amin’ny toerana sasany tatsy Bohemia, dia nisambotra rahalahy maro ny Fiarovam-pirenena, noho ny antony nifandray tamin’ny Fahatsiarovana. Tian’izy ireo ho fantatra voalohany indrindra ny hoe taiza no nanaovana ilay Fahatsiarovana ary iza no nitarika ilay izy. Tao amin’ny toerana iray nanaovana ny Fahatsiarovana, rehefa nifarana ilay izy, dia nofantarin’ny polisy hoe iza avy ireo mpanatrika rehetra, ary nosamborina ny rahalahy iray ka nofotorana. Tany amin’ny toerana hafa iray koa, dia nampangaina toy ny mpanao heloka bevava ny anabavy telo, noho izy ireo hoe nitsidika vehivavy iray sady “nianatra zavatra vita an-tsoratry ny sekta iray voarara antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah”.

Nomelohina higadra tao Pardubice ny anabavy hafa iray, i Miluše Pavlová, tsy hoe satria tra-tehaka izy, fa noho ny ahiahy fotsiny. Izao no antony ofisialy nanamelohana azy: “Asehon’ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana fa nizara sy nanao kopia zavatra vita an-tsoratra voarara, ilay voampanga. Mbola manamafy ny didim-pitsarana voalohany ny Fitsarana Ambony, ka manampy teny hoe: ‘Voaheloka izy mba hanakiviana ny tenany sy ny hafa koa.’ ”

Famatsiana sakafo ara-panahy

Natao tamim-pitandremana lehibe ny famatsiana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly hianarana, nandritra ny vanim-potoana nanapahan’ny Kominista. Tsy fantatry ny Vavolombelona tsotra ny fomba nandikana sy nanaovam-pirinty, ary avy eo dia nizarana azy ireny. Tsy fantatra an-karihary ireo mpandika teny sy mpitsara ny tsipelin-teny, ary koa ireo nandray anjara tamin’ny fanontam-pirinty sy ny fanakambanam-boky.

Nandika lahatsoratra iray tamin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny tseky tamin’ny milina fanoratana ny mpandika teny iray, ary avy eo dia natolony ny mpitsara ny tsipelin-teny ilay izy, ary tsy hitany intsony izy iny, mandra-pianatra azy tany amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Nadika tamin’izany fomba izany ny zava-drehetra, anisan’izany ny boky sy ny bokikely. Na izany aza, dia tsara ihany ilay dika teny. Mbola tsy nadika ny gazety Mifohaza! tamin’izany fotoana izany.

Na ny fitambaran-doholona aza dia tsy nahalala hoe iza tao amin’ny kôngregasiônany no nandray anjara tamin’ny fandikan-teny. Indraindray, rehefa nihena ny asa vitan’ireny rahalahy ireny teo amin’ny fanompoany teny amin’ny saha, noho ny fitomboan’ny asa fandikan-teny, dia niezaka nanampy azy ireny ny loholona, satria nihevitra fa angamba nihanangatsiaka ara-panahy izy ireny. Tsy nampahafantatra ny amin’izay nataony anefa ireo mpandika teny sy mpitsara ny tsipelin-teny.

Natao tao anatin’izany tarehin-javatra tena sarotra izany ny tetik’asa iray faran’izay niavaka. Nadika manontolo tamin’ny fiteny tseky ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao). Teo anelanelan’ny taona 1982 sy 1986, dia natao pirinty sy natao boky dimy izy io, teto Tsekôslôvakia mihitsy, ary nomena iray avy ny fianakaviana Vavolombelona tsirairay. Natao toy izany koa ny ezaka hamokarana ny New World Translation (Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) tamin’ny fiteny slôvaky, saingy tsy vita izy io raha tsy tatỳ aoriana.

Ny fomba nahavitan’izy ireo pirinty ny zavatra vita an-tsoratra

Nandritra ireo taona 1950, dia nanao ezaka be ireo rahalahy tsy tany am-ponja, mba hahazoana antoka fa voafahana ara-panahy ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina. Nandritra ny fotoana kelikely, taorian’ny nampiharana ilay fandrarana ny asa sy ny nisamborana ireo rahalahy tompon’andraikitra, dia matetika no tsy nisy afa-tsy gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray monja no niombonan’ny kôngregasiôna maromaro. Nihatsara tsikelikely ny toe-javatra. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy gazety iray isaky ny kôngregasiôna, ary tatỳ aoriana, dia gazety iray isaky ny fianakaviana. Nandray naoty fohy ireo mpitory. Tsy nanana milina fanoratana izy ireo.

Milazalaza toy izao ny toe-javatra fahitan’ireo rahalahy i Juraj Kaminský, avy ao amin’ny Kôngregasiônan’i Nejdek: “Rehefa afaka nahazo milina fanoratana iray ireo rahalahy tamin’ny farany, dia milina tranainy ilay izy. Nihady ilay milina avy tao anaty tany teo imason’izy ireo ilay rangahy nivarotra ilay izy taminy. Tatỳ aoriana, dia nahita fomba hividianana milina vaovao, ary koa fitaovana fanalehibeazana sary, ry zareo.”

Mpitory maro samihafa no nandray anjara tamin’ny famokarana zavatra vita an-tsoratra. Anabavy maro, izay nisy 70 taona mahery ny sasany, no nianatra nitendry milina fanoratana. Vitan’ireo rahalahy mihitsy aza ny nampiditra an-tsokosoko zavatra vita an-tsoratra tany am-ponja. Tamin’ny 1958, dia nanomboka namokatra kopian’Ny Tilikambo Fiambenana nohakelezina tamin’ny alalan’ny fakantsary izy ireo. Nisy hatramin’ny kopia telo tamin’ireny nafenina tao anaty baran-tsavony iray na tao anaty famotsia-nify, ka nalefa tany amin’ireo rahalahy tany am-ponja. Nanao kopia tanana ny azy manokana izy ireo nony avy eo, ary namotika ireo kopia azony.

Tamin’ny 1972, dia nasaina hanome tanana tamin’ny famokarana zavatra vita an-tsoratra i Herbert Adamy. Voatendry handrindra ny famokarana zavatra vita an-tsoratra ho an’i Tsekôslôvakia manontolo izy. Izao no tsaroany: “Teo am-piandohana, dia natao tanana ny famokarana zavatra vita an-tsoratra, ka mpitory an-jatony maro tany amin’ireo kôngregasiôna no nanao izany. Tamin’ny farany — tsy ela talohan’ny naharavan’ny rafitra kominista — dia nanana fanontam-pirinty niafina maoderina sy ary fomba, afaka namokatra zavatra vita an-tsoratra maro kokoa noho izay nilaina tamin’izany fotoana izany, izahay.”

Hoy ny Rahalahy Adamy, mahakasika ny fotoana nampiasan’izy ireo ny milina fanaovana kopia azony voalohany: “Inefatra isan-taona teo ho eo, dia tsy maintsy nafindra tany amin’ny toerana iray efa voafaritra mialoha, izay tsy mora hita, ny fanontam-pirinty manontolo. Nandritra ny ‘raharaha’ iray, dia nanao pirinty sy nanambatra ary nandefa boky 12 000 teo ho eo ilay ekipa. Naharitra herinandro teo ho eo ny raharaha iray. Nifoha tamin’ny efatra ora maraina ireo mpiasa, ary matetika dia efa dila ny misasakalina vao natory. Rehefa vita ny raharaha iray, dia nentiko tany amin’ny gara akaiky indrindra ireo fonosam-boky. Natolotro ny iraka iray izy ireo tany, ary izy io indray kosa nitondra azy ireny hatrany amin’ny 600 kilaometatra indraindray.”

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nanamboatra tamim-piafenana ny miliny fanaovana kopia ireo rahalahy, tany amin’ireo foibe famokarana naorin’ny tenany ihany. Nahavita milina 160 toy izany izy ireo, tamin’ny fitambarany, ary nomena an’ireo rahalahy tatsy Romania ny sasany.

Tamin’ireo taona 1980, dia nanomboka nampiasa milina fanontam-pirinty offset, izay nanatsara tokoa ny asany, ireo rahalahy teto Tsekôslôvakia. Nanorina ny miliny fanontam-pirinty offset manokana izy ireo, mba hanaovana izany. Nahavita milina 11 toy izany, misy fitaovam-pamatsiana taratasy ahodin’ny fitaovana elektrônika, izy ireo, tao anatin’ny herintaona sy tapany. Afaka namokatra taratasy vita pirinty tsara 11 000 isan’ora ny milina iray.

Nanaovana bemidina ny fanontam-pirinty roa teto Prague

Teo amin’ny faramparan’ny taona 1986, dia hitan’ny Fiarovam-pirenena ny toerana nisy ny roa tamin’ny fanontam-pirintinay ka nakatony. Nisy tatitra iray navoaka tao amin’ny filazam-baovao ho an’ny Minisiteran’ny Atitany ihany, taorian’ny nanaovana be midina tao amin’ny fanontam-pirinty iray. Nahazo kopia iray tamin’izy io avy tamin’ny polisy tsara fanahy iray, ny Vavolombelona. Voalohany, dia teo ilay fampielezan-kevitra nahazatra izay niezahana nampifandray ny Vavolombelona tamin’ny hetsika politika vahiny. Avy eo dia nanome tsipiriany momba ny nataon’ny polisy ilay tatitra, ary nilaza ireo sazy nomena ny Vavolombelona. Nifarana tamin’izao fiekena nahagaga izao ilay tatitra: “Tsara dia tsara ny fihetsiky ny Jehovista manoloana ny tsy mpikambana ao aminy. Vonon-kanampy sady mazoto miasa izy ireo, nefa hatreo ihany. Tsy vonona ny hikely aina ao amin’ny Vondron’ny Mpiasa Sosialista sy ny toy izany, izy ireo. Mbola tsy nisy Jehovista fantatra hoe nangalatra, nifoka, nidoroka zava-pisotro misy alkaola na zava-mahadomelina. (...) Tsy nisy tamin’izy ireo efa notorina tany amin’ny fitsarana fa hoe nandika lalàna na nanimba fananan’olona. Miezaka milaza ny marina ny mpikambana ao amin’io sekta io. Tsy milaza mihitsy ny anaran’ny hafa izy ireo, fa antsoiny fotsiny hoe ‘rahalahy’ na ‘anabavy’ izy ireny. Tsy miresaka afa-tsy ny amin’ny tenany izy ireo, ary raha asaina manome filazana voafaritra mazava izy ireo, dia mangina, tsy rehefa ampangaina ihany, fa rehefa antsoina ho vavolombelona koa.”

Mazava ho azy fa tsy nampitsahatra ny asa fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra ny nanakatonana fanontam-pirinty iray na roa. Mbola nisy fitomboana koa tamin’ny taona 1987. Tratra ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory 9 870 teto Tsekôslôvakia. Nisy 699, tamin’ny antsalany, no nandray anjara tamin’ny asan’ny mpisava lalana, na mpanampy izany, na maharitra.

Azo natao ve ny nanoratra ara-dalàna ny Fikambanana?

Tamin’ny 1972, rehefa natao maneran-tany ny fandaharana mba hisian’ny fitambaran-doholona hanara-maso ny asan’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay, dia nampiharina teto Tsekôslôvakia koa izany. Tamin’ny 1976, dia voatendry hikarakara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia ny komity iray voaforona rahalahy dimy.

Mbola tsy voasoratra ara-dalàna anefa na ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ny fikambanana iray hisahana raharaha tena nilain’izy ireo, ary tsy nanana birao hiantsoroka ny asa teto Tsekôslôvakia izy ireo. Koa novidina tamin’ny anaran’ny Vavolombelona roa àry ny trano iray nisy rihana roa mbola tsy vita teto Prague, tamin’ny Martsa 1979. Nisy antoko-mpiasa nifandimby niasa herinandro teo amin’ilay trano, ka mpiasa an-tsitrapo 10 ka hatramin’ny 12 no tao amin’ny antokony tsirairay. Tonga avy lavitra nanketo Prague izy ireo, avy tany amin’ny faritra lavitra amin’i Slôvakia mihitsy aza. Tao anatin’ny enim-bolana, dia azo nipetrahana ny tapany natao fonenana, ary vonona ny tapany natao birao, rehefa afaka herintaona. Birao sahaza tsara io trano io, hatramin’ny lohataonan’ny 1994.

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia toa azo natomboka ny fifampiraharahana ho amin’ny fanoratana ara-dalàna. Tamin’ny 1 Jona 1979 àry, dia nisy taratasy iray nalefa tany amin’ny Sekretaria Mikarakara ny Raharaha Ara-pivavahana Miara-miasa Amin’ny Présidium-n’ny Repoblika Sosialista Tsekôslôvaky. Hoy ilay taratasy: “Mamelà anay hangataka fihaonana ho an’ny fivavahana iray fantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah. Tianay ny hampahafantatra anareo fa fanirian’ny tompon’andraikitra sasany ao amin’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hiara-midinika aminareo ny fanitsiana ny fifandraisan’io fivavahana io amin’ny rafi-dalàna misy ankehitriny eto amin’ny Repoblika Sosialista Tsekôslôvaky.”

Efa ho herintaona tatỳ aoriana vao tonga ny valiny, ary natao tamin’ny 22 Aprily 1980 ny fiaraha-midinika. Taorian’izany, dia nalefa tany amin’ny Minisiteran’ny Atitany ny fangatahana fanoratana anarana ny Watch Tower Bible and Tract Society. Voalaza tao ny dinan’ilay fikambanana, ary koa ny fanambarana iray marim-pototra tsara nisy fizarana 13. Nilaza toy izao ny fizarana fahadimy:

“Raha eken’ny Fanjakana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hanao fivoriana any amin’ny toerana voatokana ho amin’izany ny kôngregasiôna manontolo. Tsy voatery hozarazaraina ho antokon’olom-bitsy ny kôngregasiôna. Hotarihin’ny olona mahay ny fivoriana, ary hanampy ny Fikambanana Watch Tower hanara-maso tsara kokoa ireo kôngregasiônany izany. Afa-tsy izany koa, dia hahafantatra tsara kokoa ny asan’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo manam-pahefana. Ho afaka ny hitsidika ireo fivoriana ampahibemaso araka izay tiany ireo solontenam-panjakana, mba hahazoana antoka fa tsy mampidi-doza sady mahasoa ireny fiaraha-mivory ireny.”

Tsy nahazoana valiny izy io.

Nanao famotorana be dia be ny Fiarovam-pirenena

Tsy nilamina ny tao amin’ny rafi-pitondrana politika, araka ny nasehon’ny rivo-piainana tamin’ny 1985. Sarotiny be tamin’izay rehetra nety ho nanohintohina ny filaminan’ilay rafitra izy ireo. Ho vokany, dia nanaovana famotorana matetika kokoa ireo rahalahintsika. Maro tamin’izany no nitranga teto Prague. Rahalahy maro be no nahazo an’ilay nantsoina hoe fampitandreman’ny lehiben’ny polisy. Nitovy tamin’ny fahazoana sazy mihantona naharitra izany.

Tao anatin’io taona io, dia naharay taratasy dimy avy tamin’ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Prague ireo kôngregasiôna, ka nahazo fampirisihana tamin-katsaram-panahy, nefa hentitra, mba hanaraka izao foto-pitsipika ao amin’ny Filipiana 4:5 (NW ) izao: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fahalalanareo ny antonony.”

Tsipy hevitra nahaliana avy tamin’ny Fiarovam-pirenena

Avy eo, teo am-piandohan’ny taona 1988, dia nanipy hevitra ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny hikarakaran’ny rahalahy tompon’andraikitra teto an-toerana ny fitsidihan’ny solontenan’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana, mba hanao fiaraha-midinika tsy ofisialy amin’ny manam-pahefana sasany avy tao amin’ny Minisitera Federalin’ny Atitany. Anisan’ny hodinihina amin’izany ny “lafiny sasany amin’ny fifandraisantsika (...), ho fanomanana ny mety ho fiaraha-midinika any aoriana amin’ny manam-pahefana ao amin’ny Fanjakana”. Tena fiovana tokoa izany.

Raha mbola tsy vita ny fanomanana io fihaonana io, dia natao tao Vienne, atsy Aotrisy, ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fahamarinan’Andriamanitra”. Fantatry ny manam-pahefana tsara fa maromaro ihany ny Vavolombelona avy teto Tsekôslôvakia nanatrika tany.

Tetsy an-danin’izany, dia nandroso tsikelikely ny fanomanana ilay fiaraha-midinika hataon’ny solontenan’ny foiben’ny Fikambanana sy ny manam-pahefana avy tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany. Ela ny ela ka nihaona ny roa tonta ny marainan’ny 20 Desambra 1988, tao amin’ny efitrano iray fanaovana kônferansy tao amin’ny Forum Hotel teto Prague. I Milton Henschel sy i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ary i Willi Pohl, avy tao amin’ny sampan’i Alemaina, no solontenan’ny Fikambanana. Tsy nanantena zavatra be loatra ireo rahalahy avy tao amin’ny Fitambara-mpitantana. Fantatr’izy ireo fa nilana faharetana sy fotoana ilay raharaha. Na ahoana na ahoana, dia efa dingana lehibe ilay fihaonana. Tsy isalasalana fa anton-javatra lehibe iray nitarika ho amin’izay nitranga ny taona nanaraka izy io.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena lehibe nalamina tao amin’ny tanàna telo tatsy Polonina. Naniry hanatrika izany ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia. Noresahina tamin’ny manam-pahefana tao amin’ny Fiarovam-pirenena izany. Endrey ny fientanam-pon’ireo rahalahy rehefa nomen-dalana hankatsy Polonina ny 10 000 tamin’izy ireo! Maherin’ny antsasaky ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia tamin’izany fotoana izany, io isa io. Nanjary natahotra ny sasany rehefa notakin’ny Minisiteran’ny Atitany ny lisitry ny anaran’ny olona rehetra handeha. Nahazo fampaherezana be dia be tsy araka izay nampoiziny anefa ireo nandeha — fampaherezana avy tamin’ilay fandaharan’ny fivoriambe nanasongadinana ilay foto-kevitra hoe “Fitiavam-pivavahana”, sy ilay toe-tsaina feno hafanam-po nasehon’ireo mpanatrika, ary ny fahaiza-mandray vahiny nahafinaritra nasehon’ny Vavolombelona poloney.

Nifantoka hatrany tamin’ny asa nankinin’Andriamanitra tamintsika

Tamin’ny faramparan’io taona io, ny 17 Novambra 1989, dia nipoaka ny fikomian’ny mpianatra teto Prague. Herisetra no nasetrin’ny fitondrana kominista an’izany, ka nandefa polisy voaofana manokana izy ireo mba handravana an’ilay fihetsiketsehana teo amin’ny Národní třída (Arabem-pirenena) teto Prague. Nanjary nisy fihetsiketsehana nipoitra ho azy ho vokatr’izany, dia fihetsiketsehana tsy nisy korontana ho fanoherana ny fitondram-panjakana kominista. Nantsoina hoe Revôlisiôna Nalefaka izy io tatỳ aoriana. Nitaky ny hanehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fahamalinana manokana izany toe-javatra izany, satria netsehin’ny firehetam-po ny olona, ka tsy mora ny nihazona fialanalanana kristianina.

Nandefa taratasy ho an’ny kôngregasiôna rehetra teto Tsekôslôvakia ny biraonay teto Prague, tamin’ny 22 Novambra 1989. Izao no voalazan’ny ampahany tamin’izy io: “Mahafinaritra tokoa fa mifantoka amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ireo rahalahy, ka tsy mamela na inona na inona hampivily ny sainy. (...) Tena ankasitrahanay indrindra ny asa tsara sy ny fahamalinan’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika. Porofoin’ny fanompoan’izy ireo sy ny vokatra azony fa momba ny Vavolombelony eto amintsika koa i Jehovah. Ankamaminay izany, ary mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra izahay mba hahazo sitraka aminy hatrany isika. Matokia ny fitiavanay anareo ary raiso ny fiarahaban-drahalahy avy atỳ aminay.” Tamin’ilay taom-panompoana nifarana taloha kelin’izay, dia nisy 11 394 ny tampon’isan’ny mpitory teto Tsekôslôvakia, ka fitomboana iray hafa tsara dia tsara izany.

Tamin’ny faran’ny taona 1989, dia nahazo governemanta vaovao i Tsekôslôvakia. Nitady fomba avy hatrany hanaovana izay hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna ny komity teto an-toerana. Nitsidika ny Présidium ny sasany tao amin’ilay komity, ary tena zava-dehibe tamin’izany fotoana izany ny taratasy ofisialy azo tamin’io fitsidihana io. Izao no voalazan’io taratasy io, izay nosoniavin’ny manam-pahefana tompon’andraikitra iray:

“Miorina amin’ny fanambarana nataon’ny komity mpanoman-draharaha ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hoheverinay ny hoe hanohy indray ny asany naaton’ny fitondrana fasista tamin’ny 1939 sy norarana indray tamin’ny 4 Aprily 1949, io fiangonana io, manomboka amin’ny 1 Janoary 1990.” Anisan’ireo dingana voalohany ho amin’ny fanoratana ara-dalàna io taratasy ofisialy io.

Lavitra ezaka ny dia hatreo amin’ny fanoratana anarana

Na dia neken’ny fitondram-panjakana aza fa nanohy indray ny asany ny “fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah”, dia nitaky ezaka tamim-paharetana nandritra ny efa ho efa-taona fanampiny vao voasoratra ara-dalàna teto amin’ny Repoblika Tseky ny Fikambanana.

Tamin’ny 12 Janoary 1990, dia nalefa tany amin’ny Minisiteran’ny Kolontsain’ny Repoblika Tseky ny fangatahana ofisialy iray ny hanoratana anarana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niara-niasa akaiky tamin’ny Fitambara-mpitantana sy ny sampan-draharaha momba ny lalàna tany amin’ny foibe ary ny mpahay lalàna teto an-toerana, ireo rahalahy nikarakara ilay raharaha manontolo. Nitsidika an’i Prague ny Rahalahy Henschel tamin’ny 1 sy 2 Martsa. Niaraka taminy ny Rahalahy Murín sy ny Rahalahy Sobička, nankany amin’ny biraon’ny praiminisitra sy ny Minisiteran’ny Kolontsaina. Natao hanome lanjany kokoa an’ilay fangatahanay fanoratana anarana haingana ireo fitsidihana ireo. Tsy nisy vokany azo notsapain-tanana anefa izany, satria mbola tsy nisy ny lalàna vaovao momba ny fanoratana anarana. Taorian’izany, dia nanandrana zavatra maro izahay, anisan’izany ny fangatahana an-tsoratra nosoniavin’ny mpitory maro, sy ny firesahana tamin’ny praiminisitra.

Tamin’ny 19 Martsa 1992, dia nolanina ny lalàna iray momba ny fanoratana anarana an’ireo fiangonana sy fikambanana ara-pivavahana vaovao. Nofaritan’izy io fa tsy hanomboka ilay fanoratana anarana, raha tsy ampiarahina amin’ny sonian’olon-dehibe mpikambana 10 000 ny fangatahan’ilay fikambanana ara-pivavahana. (Nandeha ho azy ny fanoratana ny anaran’ireo fiangonana lazaina fa nentim-paharazana, izay niasa ara-dalàna nandritra ny am-polony taona maro, teo ambany fitondrana kominista.) Koa nilazana ny Vavolombelon’i Jehovah fa nila namerina ny fangatahany izy ireo, ka hanome izay rehetra notakina. Avy eo, tamin’ny 1 Janoary 1993, nandritra ny fanomanana ilay fanoratana anarana, dia nisy fiovana hafa koa nitranga rehefa nozaraina roa i Tsekôslôvakia: ny Repoblika Tseky sy ny Repoblika Slôvaky. Tamin’ny farany anefa, ny alarobia 1 Septambra 1993, dia nahazo izao tatitra manaraka izao ny Masoivohon-gazety Tseky:

“Androany, 1 Septambra 1993, tamin’ny 10.00 maraina, dia notolorana taratasy ofisialy momba ny fanoratana anarana, ny solontenan’ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny Minisiteran’ny Kolontsain’ny Repoblika Tseky. Nisaotra an’ireo manam-pahefana ao amin’ny minisitera ny solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nampahafantatra azy ireo fa tsy hitaky fanohanana ara-bola ho an’ny tombontsoany manokana, na fanampiana ara-bola mivantana avy amin’ny Fanjakana, izy ireo. Manan-kery manomboka anio ilay fanoratana anarana.”

Notaterina tao amin’ny fampahalalam-baovao io fisehoan-javatra lehibe io. Filazana fohy fotsiny izy io tao amin’ny gazety sasany. Ny hafa kosa nanasongadina ilay tatitra tamin’ny alalan’ny matoan-dahatsoratra hoe “Nahazo Izay Nandrasany ny Jehovista”, sy hoe “Fivavahana Ekena ny Vavolombelon’i Jehovah”. Nanamarika ny faran’ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblika Tseky ve izany? Tsy izany velively!

Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, dia nanomboka ny famelezana tsy an-kiantra tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao. Nampiavaka ilay izy ny hoe tao amin’ny gazety ara-pivavahana no nahasahiana indrindra namely ny Vavolombelon’i Jehovah. Nirakitra fanontaniana napetraka tamin’ny Vavolombelona nandritra ilay fanoratana anarana, mbamin’ny fanombantombanan’ny mpanoratra ny amin’ireo valin-teny nomena, ireo lahatsoratra feno fitsarana an-tendrony. Tetsy an-daniny, dia nampangaina ho namitaka ireo mpitondra tenin’ny Fikambanana, rehefa nilaza fa tsy noterena hino na hanao zavatra sasany ny Vavolombelona. Tetsy an-kilany, dia nolazaina fa namadika ny foto-pitsipiky ny fandaminantsika ireo valin-teniny.

Io famelezan’ny mpanohitra io no fiandohan’ny vanim-potoana vaovao iray, tsy vanim-potoan’ny fanagadrana tamin-kalozana akory, fa vanim-potoan’ny fanarabiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Fotoana tsy maintsy hiatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay amin-kerim-po ny karazam-panafihana hafa ny finoany sy ny tsy fivadihany amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fandaminany, izany.

Fanaovan-javatra tamim-pinoana

Tsy niandry ny hahavitan’ny fanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah vao nanomboka nanao fivoriana ampahibemaso, eny fivoriambe lehibe mihitsy aza, teto Tsekôslôvakia. Efa nampahafantatra ny manam-pahefana tao amin’ny fitondrana izy ireo fa hanohy indray ny fanaovan-javatra ampahibemaso tamin’ny Janoary 1990. Nisy fandaharana manokana nalamina ho an’ny kôngregasiôna rehetra, tamin’io volana io indrindra. Nanasongadinana ilay foto-kevitra tonga tamin’ny fotoana nilana azy hoe “Soa Raisina avy Amin’ny Fankatoavana ny Didin’Andriamanitra”, izy io. Fivoriamben’ny fizaran-tany adiny roa izy io, raha ny marina. Tsy dia lehibe ireo fivoriana, saingy natao tao amin’ny efitrano nohofana. Nisy kôngregasiôna iray na roa nivory isaky ny toerana tsirairay. Narahina fivoriamben’ny fizaran-tany lehibe kokoa tamin’ny lohataona izany.

Nisosa tsara ireny fivoriambe rehetra ireny, koa natao ny fandaharana mba hanaovana fivoriamben’ny distrika iray — fivoriambe efatra andro ho an’ilay tany manontolo — teto Prague, tamin’ny fahavaratra. Nohofana ny Kianjaben’i Evžen Rošický teto Prague tamin’io fotoan-dehibe io, ary nandray anjara tamin’ilay fandaharana ny rahalahy roa anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia ny Rahalahy Henschel sy ny Rahalahy Jaracz. Nisy 23 876 ny tampon’isan’ny mpanatrika, ary 1 824 no natao batisa. Tena fandresena tanteraka ho an’ny fanompoam-pivavahana madio ilay fivoriamben’ny distrika. Be itoviana tamin’ny rivo-piainana tao amin’ireo fivoriamben’ny distrika tatsy Polonina, herintaona talohan’izay, ny rivo-piainana tao, kanefa teto amin’ny taninay mihitsy ilay izy ary tamin’ny fiteny tseky sy slôvaky! Nasehon’ireo tsikim-pifaliana sy ranomasom-pankasitrahana tamim-pahatsorana fa nanohina lalina ny fo ilay fotoan-dehibe.

Nandritra ny 40 taona, dia nobitsibitsihina fotsiny ny hoe “Vavolombelon’i Jehovah” teny amin’ny toerana falehan’ny besinimaro, teto Tsekôslôvakia. Nisy tsaho maro tsy nampino niely momba ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nolazaina matetika hoe “sekta tsy ara-dalàna”. Ankehitriny anefa, ny rehetra, anisan’izany ny mpanao gazety, dia afaka nandinika akaiky kokoa ny Vavolombelona. Nanao tatitra tsara momba ny fivoriamben’ny distrika ny fampahalalam-baovao, tamin’ny ankapobeny. Zendana izy ireo nahita izay nataon’ny Vavolombelona tao amin’ilay kianjabe, talohan’ilay fivoriambe. Niasa nandritra ny roa volana ireo Vavolombelona — mpiasa an-tsitrapo 9 500 teo ho eo, nandany 58 000 ora mba hanadiovana tanteraka azy io, hanamboarana ny dabilio simba, hanatsarana ny fanarian-drano maloto, sy handalorana fotsy an’ilay kianjabe manontolo. Variana ny mpanangom-baovao iray tao amin’ny Večerní Praha (Gazety Takarivan’i Prague), gazety mpiseho isan’andro, rehefa nahita ireo endrika feno tsiky, ireo olona avy amin’ny faritra rehetra eto Tsekôslôvakia nifandray tsara, ary koa ny fiteniny madio.

Nisy fisehoan-javatra lehibe hafa iray koa nitranga tamin’io taona io. Notokanana ny Efitrano Fanjakana ho an’ny Kôngregasiônan’i Bechyně tamin’ny 30 Aogositra 1990 — ny voalohany teto.

Nitarika ho amin’ny fisehoan-javatra lehibe hafa iray, izay tena nahatalanjona tokoa, izany rehetra izany.

Fivoriamben’ny distrika tsy hay hadinoina na oviana na oviana

Natao ny planina mba hanaovana fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Prague, ny 9 ka hatramin’ny 11 Aogositra 1991! Ny dingana voalohany dia ny fanofana kianjabe iray, izay tsy iza fa ny Kianjabe Spartakiad teto Prague, anisan’ny lehibe indrindra eran-tany. Koa satria mbola tsy voasoratra ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah teto Tsekôslôvakia, dia i Anton Murín, mpandrindra ny komitin’ny sampana, no nanofa ilay kianjabe manontolo. Fanaovan-javatra naneho herim-po izany. Fanehoana fatokisana mafy an’i Jehovah izany, ary dia nitahy izany i Jehovah.

Ho goavana ny asan’ny Sampan-draharahan’ny Filasiana, ary i Lubomír Müller no voatendry hiandraikitra izany. Fantatr’ireo rahalahy anisan’ny Fitambara-mpitantana tsara ny maha zava-dehibe ny filasiana tsara. Koa ny tenan’ny Rahalahy Henschel sy ny Rahalahy Jaracz mihitsy no nanao fisafoana an’ireo hotely natolotra nanerana an’i Prague. Niditra tao amin’ny efitranon’ny hotely fatoriana izy ireo, ary nitsapa ny farafara mihitsy aza. Tsy azo ekena ny hotely fatoriana misy efitra fidiovana sy kabine ikambanana, hoy izy ireo. Fa nahoana? Hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Henschel: “Raha tao anatin’ny tarehin-javatra ara-dalàna, dia ho ampy ireo, satria ho tonga sy handeha amin’ny fotoana samy hafa ireo vahiny. Amin’ny ankapobeny anefa, dia hiainga sy hiverina amin’ny fotoana iray ihany ireo solontena mpanatrika fivoriambe. Azonareo alaina sary an-tsaina ve izay hitranga ao amin’ny efitra fidiovana sy fivoahana? Tsy azontsika atao amin’ireo rahalahintsika izany.” Nahazo fampiofanana azo ampiharina ireo mpandamina ilay fivoriambe teto an-toerana, rehefa nahita an’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana naneho fiheverana manokana ny amin’izay hahasoa ny solontena tsirairay.

Nisy 74 587 ny tampon’isan’ny mpanatrika tamin’io Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ireo Tia Fahafahana Araka An’Andriamanitra” io. Tamin’izy ireo, dia 29 119 no avy teto Tsekôslôvakia, 26 716 avy tatsy Alemaina, ary 12 895 avy tatsy Polonina. Solontenan’ny tany 36 hafa ireo mpanatrika 5 857 sisa. Nahafinaritra ny nahita 2 337 natao batisa, anisan’izany ny 1 760 avy teto Tsekôslôvakia, 480 avy tatsy Alemaina, ary 97 avy tatsy Polonina.

Tsy isalasalana fa izay nitranga tamin’ny asabotsy 10 Aogositra no fara tampon’io fivoriambe manontolo io. Tafatsangana ny mpanatrika rehetra tao amin’ny fizarana ho an’i Tsekôslôvakia sady nanao tehaka nirefodrefotra tsy an-kiato naharitra folo minitra be izao! Miramirana avokoa ny endrika rehetra. Inona no anton’izany rehetra izany? Rehefa namarana ny lahateny iray nataony i Albert Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia nampahafantariny ny mpanatrika aloha ny boky vaovao iray tamin’ny teny anglisy — izay somary nandiso fanantenana ihany — ary avy eo dia gaga izy ireo rehefa nambarany ny fivoahan’ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) natao boky iray, vao natonta tamin’ny fiteny tseky sy slôvaky! Nandrotsaka ranomasom-pifaliana ny maro tamin’ny mpanatrika.

Namela soritra lalina tao am-pon’ny mpanatrika iny fivoriambe iny. Ary ahoana ny amin’ny fampahalalam-baovao? Toy ny mahazatra, dia tao ny naneho fitsarana an-tendrony, ary tao ny nanao tatitra tsara. Izao no tatitra nataon’ny Venkov, deník českého a moravskoslezského venkova (Ambanivohitra, Gazety Mpiseho Isan’Andro ho An’ny Tambanivohitra Tseky sy Moravianina-Silezianina), ny alatsinainy 12 Aogositra, teo ambanin’ny lohateny hoe “Tomefy olona i Strahov”:

“Nanomboka ny zoma ka hatramin’ny alahady, dia nisy fivoriambe iraisam-pirenena iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Prague, natrehina solontena 75 000 avy tany amin’ny faritra rehetra any Eoropa sy Amerika ary Japon. Efa niasa teto Tsekôslôvakia nanomboka tamin’ny 1912 ny Vavolombelon’i Jehovah. Voamarika noho ny fanehoany fiheverana ny hafa sy ny fifehezan-tenany ireo mpanatrika Vavolombelon’i Jehovah. Nilamina sy tena voaomana tsara ilay fivoriambe. Na dia nanomboka nilatsaka aza ny orana nandritra ilay batisa tamin’ny asabotsy, dia nijanona teo amin’ny toerany ny mpanatrika ary nandray tamim-pifaliana an’ireo mpikambana vaovao, tamin’ny alalan’ny tehaka nirefodrefotra.”

Nitranga izany rehetra, na dia tsy vita aza ny fanoratana ara-dalàna, raha tsy rehefa afaka roa taona.

Fotoan’ny fitarana

Na dia niadana aza ny fanoratana ara-dalàna, dia nitombo ny zavatra nilain’ny fandaminana teôkratika arakaraka ny nitomboan’ny asany teto. Nampiasain’ireo rahalahy ho birao foibe ny trano iray nisy rihana roa, izay somary teritery ihany, teto Prague, nanomboka tamin’ny 1980. Rehefa natomboka natao an-karihary kokoa ny asa tamin’ny 1990, dia nohavaozin’izy ireo io trano io. Nesorina ireo fitambaran’efitra nipetrahana, ary navadika ho birao ilay trano manontolo. Karazam-birao nanao ahoana anefa? Nasiana hazo nampisaraka ny efitra lehibe kokoa mba hahazoana toeram-piasana kely kokoa. Tsy natao birao fotsiny izy ireny, fa natao efitra fatorian’ny mpiasa koa, ka nifanila tamin’ny latabatra fiasany ny farafarany. Nilaina ny toerana malalaka kokoa.

Tamin’ny lohataonan’ny 1993, dia nisy nanome ho an’ny Fikambanana trano vaovao iray nisy rihana sivy teto Prague, mba hampiasaina hampandrosoana ny fampianarana Baiboly. Mpiasa an-tsitrapo avy tany amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Repoblika Tseky no nandray anjara tamin’ny fanavaozana azy io. Natao ny fandaharam-pitokanana azy io ny 28 sy 29 May 1994. Vavolombelon’i Jehovah maro, izay nihazona ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah teo ambany fitondrana kominista nandritra ny taona maro, no nasaina. Nandray anjara tamin’ilay fandaharana i Albert Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ary nisy hafa koa nanatrika teo avy tany Alemaina, Aotrisy, Danemark, Etazonia, Grande-Bretagne, Holandy, Italia, Polonina, Slôvakia, Soisa, sy Ukraine.

Rehefa voazara roa niavaka tsara i Tsekôslôvakia tamin’ny 1993, dia mbola komity iray monja no nikarakara ireo tany roa ireo, teo ambany fanaraha-mason’ny sampan’i Aotrisy. Niova anefa ny toe-draharaha tao amin’ireo tany roa ireo. Nisy komity voatendry ho an’ny tany tsirairay, ny taona nanaraka. Avy eo, tamin’ny 1 Septambra 1995, dia nanomboka niasa ny biraon’ny sampana teto amin’ny Repoblika Tseky. Voatendrin’ny Fitambara-mpitantana ho anisan’ny Komitin’ny Sampana i Jan Glückselig, i Ondřej Kadlec, i Jaromír Leneček, i Lubomír Müller, ary i Eduard Sobička. Tatỳ aoriana, dia voatendry hanao fanompoana manokana tatsy Rosia i Lubomír Müller, ka i Petr Žitník no voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana teto amin’ny Repoblika Tseky.

Efitrano Fanjakana “naorina tamin’ny fomba haingana”

Nila toerana hivoriana ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mora ny nahita toerana sahaza ho an’ny fivoriana teto amin’ny Repoblika Tseky. Tompon-trano maro no tsy nety nampanofa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny nahatonga izany ny fampielezan-kevitra mamitaka, na vaovao na taloha, momba ny Vavolombelona. Kôngregasiôna maro àry no nitady fomba hanorenana trano na hanavaozana trano tranainy. Tamin’ireo fomba rehetra nandramana mba hanorenana trano vaovao, dia ny fomba fanorenana haingana no nety indrindra. Notokanana tamin’ny 20 Novambra 1993 ny Efitrano Fanjakana voalohany naorina tamin’io fomba io, teto amin’ny Repoblika Tseky. Naorina tao amin’ny tanànan’i Sezimovo Ústí io efitrano io, ary ampiasain’ny kôngregasiôna roa eo an-toerana.

Nitombo hatrany ny isan’ny Efitrano Fanjakana. Tamin’ny May 1999, dia nampiasa Efitrano Fanjakana 84, izay an’ny Vavolombelona manokana, ireo kôngregasiôna 242 manerana ny Repoblika Tseky. Fantatr’ireo rahalahy sy anabavy tseky tsara fa raha tsy nisy fanampiana ara-bola avy tamin’ireo mpiara-manompo aminy any an-tany hafa, dia tsy ho afaka nanorina Efitrano Fanjakana tsara tarehy maro toy izany izy ireo. Tena nanohina lalina ny fon’ireo rahalahy tseky ny fahalalahan-tanan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Irin’izy ireo amim-pahatsorana ny haneho ny fankasitrahany an’ireo rahalahiny any an-tany hafa sy an’i Jehovah, izay namelona izany toe-tsaina izany tao am-pon’ny mpanompony sady namokatra fandaminana faran’izay tsara toy izany. — 2 Kor. 8:13-15.

Ireo fandrika miafin’ny fahalalahana

Efa nisinda ela ny haravoana noho ny nianjeran’ny Kominisma tamin’ny 1989, ary nisy olana vaovao maro nipoitra. Etsy an-daniny, dia eo ny fahafahana tsy nisy teo aloha hahazo harena amin’ny alalan’ny asa mafy. Etsy an-kilany, dia eo ny tsy filaminana ara-tsosialy, ny fitomboana haingan’ny tahan’ny heloka bevava, ny fisondrotan’ny vidim-piainana, sy ny anton-javatra tsy tsara hafa misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisan’olombelona. Manome vahana ho an’ny fiahiana fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo sy ny fitiavana mifaninana ary ny fitsiriritana, ny fiakaran’ny fari-piainana. Mponina an-tanàn-dehibe maro no manana trano fialan-tsasatra any ambanivohitra, izay tiany handaniana fotoana. Olona mihamaro hatrany no mankany ivelany mba hanao vakansy andaniam-bola be. Nitondra fahalalahana hanakiana ny zava-drehetra amin’ny fotoana rehetra, ilay demokrasia vao azo. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fomba fiaina maloto ara-pitondran-tena izy io. Tsy azo nekena mihitsy izany teo ambany fitondrana kominista. Tsy vonona ho amin’izany ny olona, nanampoka azy ireo ilay toe-javatra vaovao, hany ka very hevitra ny sasany.

Nisy fiantraikany teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany koa io toe-tsaina io. Maromaro no nitsahatra tsy nanompo an’i Jehovah, satria nanjary revo tamin’ny fomba fiaina miahy fatratra ny zavatra ara-nofo, variana loatra tamin’ny fiaraha-mikorana, nanilika ny fari-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly momba ny fanambadiana, na nanjary nanakiana ny zava-drehetra — anisan’izany ireo fandaharana teôkratika naorin’i Jehovah. Ny hafa izay nifidy ny hijanona tao amin’ny fandaminana, dia nitady hanova ny kôngregasiôna mba hifanaraka tamin’ny fomba fiheverany manokana. Mazava ho azy fa niteraka fihenjanana izany, mandra-pandamin’ny mpiandraikitra nahatoky an’ilay toe-javatra.

Eto amin’ny Repoblika Tseky ankehitriny, ireo izay miezaka hanompo an’Andriamanitra dia mahita fa voahodidin’ny fitambaran’olona mirona tsy hino an’Andriamanitra sy mirona hino ny evôlisiôna, izy ireo. Fitambaran’olona mihevitra ny fivavahana ho lovantsofin-jaza na filôzôfia hafahafa, izy io. Mamely tsy an-kijanona ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampitam-baovao mila ady. Fitsapam-pinoana manindrona izany, toy izay natrehina tamin’ireo fisedrana mafy tany amin’ireo fonja nazia sy kominista ary tamin’ny famitahan’ireo nampiasa ireny fonja ireny. Miorina mafy amin’ny finoana eo anoloan’ireo fitsapana ireo ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Na dia eo aza ny fihetsiky ny olona maro mahakasika ny raharaha ara-pivavahana, dia nisy fanapahan-kevitra ara-pitsarana niavaka navoakan’ny Fitsarana Tseky Momba ny Lalàm-panorenana, tamin’ny lohataonan’ny 1999. Nanambara toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety tseky Lidové Noviny (Gazetim-bahoaka Mpiseho Isan’andro) tamin’ny 11 Martsa 1999: “Maneho Fahendrena ny ao Brno”, izay toerana misy ilay Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana. Namoaka didy io fitsarana io fa tsy hisy olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, ka ho azo tsaraina indroa noho ny tsy nanekeny hanao raharaha miaramila. Somary nitondra fanamaivanana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah maro be izany. Neken’ny olona maro fa fandraisana anjara tsara nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny rafi-pitsarana tseky ny niafaran’io raharaha io.

Atosiky ny fitiavana

Manohy mizara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ny Repoblika Tseky. Fanirian’izy ireo ny hanampy olona maro kokoa hahafantatra an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana, sy hankasitraka ireo fandaharana mahatalanjona nataony ho an’ireo rehetra maneho finoana. Mba hitoriana amin’ireny olona ireny anefa, dia matetika ny Vavolombelona no mila mandresy ny fiheveran’ny olona voavolavolan’ny fanendrikendrehana miverimberina, hoe “sekta mampidi-doza” ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hilain’izy ireo koa ny mandresy ny fanamavoana ny fivavahana amin’ny fitambarany, dia fanamavoana nentin’ireo am-polony taona maro nanapahan’ny fitondrana nandala ny tsy finoana an’Andriamanitra. Mahomby ve izy ireo amin’izany?

Mendri-komarihina fa tamin’ny 1999, rehefa nivory tao amin’ireo kôngregasiônany 242 ny Vavolombelon’i Jehovah 16 054 tamin’izay fotoana izay, mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, dia nisy olona an’arivony maro niaraka tamin’izy ireo. Nisy 31 435 ny tontalin’ny mpanatrika.

Fanirian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hanampy ny tsirairay amin’ireny olona ireny hanao amim-pahombiazana sy amim-piaretana ilay hazakazaka kristianina. Sady mitory amin’ny besinimaro izy ireo no miezaka koa hifanampy mba hiorina mafy hatrany amin’ny finoana. Fantatr’izy ireo tsara fa nilaza toy izao i Jesosy, rehefa nilazalaza ny fisehoan-javatra amin’izao androntsika izao: “Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.” (Lioka 21:19). Ary nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ny fivavahana. Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara”. (1 Pet. 4:7, 8). Izany fitiavana izany no mbola manosika azy ireo hizara ireo fahamarinana ara-baiboly sarobidy amin’ny hafa, sy hifanatona ao anatin’ny firaisan-tsaina kristianina tsy azo ravana.

[Teny notsongaina, pejy 165]

“Tsy nanenina mihitsy aho noho ny nijanonako. Rehefa nandeha ny fotoana, dia takatro fa teto ny toerako”

[Teny notsongaina, pejy 168]

“ ‘Raha tianareo hotifirina ny ampahafolonay, dia tifiro avokoa izahay rehetra!’ Zendana ny tao amin’ilay toby manontolo”

[Teny notsongaina, pejy 184]

“Nesoina sy notevatevaina, nefa koa nohajaina mangingina”

[Teny notsongaina, pejy 187]

“Tsy nisy soritry ny fanekena lembenana, fa fahalalana ny antonony mampiavaka ny Kristianina kosa!”

[Sarintany, pejy 150]

(Jereo ny boky)

ALEMAINA

POLONINA

SLÔVAKIA

AOTRISY

REPOBLIKA TSEKY

BOHEMIA

Prague

Lidice

Kladno

Karlovy Vary

Most

Teplice

Liberec

MORAVIA

Brno

SILEZIA

[Sary, pejy 148]

[Sary, pejy 153]

Rahalahy Erler, avy any Dresde

[Sary, pejy 155]

Nampiseho ny “Photo-Drame de la création” nanerana an’i Tsekôslôvakia i Otto Estelmann

[Sary, pejy 157]

Bohumil Müller

[Sary, pejy 167]

Nianatra ny fahamarinana tao amin’ny toby fitanana iray i Božena Vodrážková

[Sary, pejy 169]

František Šnajdr sy Alois Miczek — samy nogadraina tao amin’ny toby fitanana Mauthausen

[Sary, pejy 173]

Maro no nanatrika lahateny ampahibemaso taorian’ny Ady Lehibe Faharoa

[Sary, pejy 175]

Ny fianakavian’ny Betela sy ny biraon’ny sampana, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa

[Sary, pejy 178]

Fivoriana tany anaty ala tamin’ny 1949

[Sary, pejy 185]

Nanome fahafahana hahazoana fampaherezana ara-panahy ireo vakansy rodobe

[Sary, pejy 194]

Jaromír Leneček, anisan’ny Komitin’ny Sampana, izay be zotom-po eo amin’ny fanompoana hatramin’ny fahatanorany

[Sary, pejy 207]

Niasa ho amin’ny fanoratana ara-dalàna ny Fikambanana i Milton Henschel sy i Theodore Jaracz, mbamin’ny hafa koa

[Sary, pejy 210]

Solontena tseky tao amin’ny fivoriamben’ny distrika tatsy Polonina tamin’ny 1989

[Sary, pejy 216]

Fivoriambe iraisam-pirenena teto Prague tamin’ny 1991 — fisehoan-javatra niavaka iray

[Sary, pejy 218]

Ny ekipan’ny fandikan-teny tseky

[Sary, pejy 223]

Biraon’ny Sampana eto Prague

[Sary, pejy 223]

Etsy ambany: Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): Jan Glückselig, Jaromír Leneček, Ondřej Kadlec, Petr Žitník, sy Eduard Sobička