Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

“ANDRIAMANITRA dia fitiavana”. (1 Jaona 4:16). Eny, sary velona mampiseho ny fitiavana i Jehovah. Mampientam-po erỳ ny miaina amin’izao fotoana izao, izay ahitantsika ny fomba maro isehoan’ny fitiavan’Andriamanitra sy ahitantsika ny porofo fa mandroso tsy hay tohaina ho amin’ny fahatanterahany ny fikasan’i Jehovah feno fitiavana!

Manana tombontsoa ho vavolombelon’ny Avo Indrindra isika vahoakan’Andriamanitra. (Isaia 43:10-12). Izao no nolazain’i Jehovah, momba ny vahoaka nitondra ny anarany fahiny: “Satria malala eo imasoko hianao, eny, be voninahitra hianao sady tiako”. (Isaia 43:4). Mihatra amin’ny Isiraely ara-panahy amin’izao andro izao koa ireo teny ireo. Ankoatra izany, dia tian’i Jehovah koa ireo rehetra anisan’ny olona betsaka, izay manana fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. Eritrereto ange izany e! Hoy i Jehovah: “Hianao (...) tiako”. Ao an-tsainao, renao ve i Jehovah milaza izany aminao?

‘Mihamangatsiaka ny fitiavan’ny’ olona maro eo amin’izao tontolo izao. Na dia voahodidin’ny olona toy izany aza isika ary mety hanakivy antsika izany, dia fampaherezana lehibe toy inona moa no azontsika avy amin’ny fahatsapana tsy an-kijanona fa tian’i Jehovah isika! (Matio 24:12). Vavolombelon’ny fitiavana lehiben’i Jehovah koa isika Vavolombelony, satria tsapantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fitiavany. Koa satria tia antsika i Jehovah, dia mitahy ny asa ataon’ny tsirairay avy amintsika sy ny asa iarahantsika manao eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy. Nampidina vao haingana ny ora takina isam-bolana amin’ny mpisava lalana maharitra ho 70, ary ny an’ny mpisava lalana mpanampy ho 50, ny Fitambara-mpitantana. Nitarika ho amin’ny fitomboana haingan’ny isan’ny mpisava lalana izany. Nandritra ny taom-panompoana lasa, dia Vavolombelona 738 343, tamin’ny antsalany, no mpisava lalana manokana, maharitra, na mpanampy. Nanome fitomboana 5,7 isan-jato, tamin’ny antsalany, ny isan’izy ireo mitambatra, raha oharina amin’ny tamin’ny taona talohan’izay. Nisy kôngregasiôna vaovao 45 niforona isan-kerinandro, tamin’ny antsalany, vokatry ny fitoriana tamin-jotom-po sy ny fitahian’i Jehovah. Nisy batisa natao naneran-tany, isaky ny faran’ny herinandro. Nandritra ny taon-dasa, dia 6 220 isan-kerinandro, tamin’ny antsalany, no natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany sady ho fanehoany ny fitiavany an’i Jehovah. Nahatratra tampon’isa 5 912 492 izao ireo mpitory ny vaovao tsara naneran-tany. — Matio 24:14.

Mahatonga antsika hitombo fitiavana an’i Jehovah ny fisaintsainana momba ny fitiavan’Andriamanitra. Afaka mampiseho ny fitiavantsika azy isika, amin’ny famakiana ny Baiboly na ny fihainoana famakiana Baiboly noraisim-peo, isan’andro. Mazàna isika no maka fotoana hanaovana izay tiantsika. Raha tia an’i Jehovah isika, dia hiezaka mafy handamina ny fandaharam-potoanantsika isan’andro mba hampidirana ny famakiana ampahany amin’ny Baiboly. Etsy an-danin’izany, dia hahatonga ny fitiavantsika an’i Jehovah hitombo ny fisaintsainana momba izay vakintsika. Tokony hifanindran-dalana ny fitiavana sy ny fahalalana araka ny marina. Tsara raha manana be dia be amin’ireo zavatra roa ireo isika, no sady tsy manao tsirambina ny iray amin’izy ireo. Hoy ny Filipiana 1:9: “Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny [fahalalana araka ny marina sy fahaiza-manavaka feno, New World Translation]”. — Jereo ny Salamo 119:97.

Tsy i Jehovah ihany no tiantsika, fa ny rahalahintsika rehetra maneran-tany koa. Manana “fitiavana ny fitambaran-drahalahy manontolo” isika. (1 Pet. 2:17, NW ). Teo am-piandohan’ilay taom-panompoana, dia maro taminareo no nankafy ilay fiarahana tamim-pitiavana tamin’ny solontena tonga nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena. Ny hafa kosa nahazo fampaherezana tamin’ny fiarahana tany amin’ny fivoriamben’ny distrika.

Nandritra ny taon-dasa, dia rahalahy an’aliny maro no niatrika zava-tsarotra noho ny ady an-trano sy ny loza. Nisy fanampiana vonjy rano vaky nalamina mba hanohanana an’ireo nila izany. Nahazo izany fanampiana izany koa ireo mpiara-monina taminy tsy Vavolombelona, tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra. Anisan’ny fanehoantsika fitiavana ny olona maneran-tany izany. ‘Tia ny mpiara-belona amintsika’ isika Kristianina. (Matio 22:39, NW ). Ilaintsika anefa ny mitadidy fa ny andraikitsika voalohany indrindra dia ny mandray anjara amin-jotom-po amin’ny asa fitoriana sy fampianarana mamonjy aina — asa izay mbola zava-dehibe kokoa noho izay rehetra mety ho asa fanasoavana ny mpiara-belona. — Matio 28:19, 20.

Mihamiely patrana eo amin’ny tontolo iainantsika ny fialam-boly feno herisetra sy ny fahalotoam-pitondran-tena, ary hindrahindraina ny fikatsahana harena, ka ilaintsika ny mampitombo ny halalin’ny fitiavantsika an’i Jehovah mba hahafahantsika hanohitra ny fanangolen’izao tontolo izao. (1 Jaona 2:15). Hanampy antsika ho amin’izany ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. ‘Tia ny trano itoeran’Andriamanitra’ i Davida mpanao salamo, ary naniry ny hotahin’i Jehovah “eo anivon’ireo vahoaka maro be tafavory” (NW ). — Sal. 26:8, 12.

Manatanjaka antsika hiorina mafy eo anatrehan’ny fanenjehana ny fampitomboantsika ny halalin’ny fitiavantsika an’i Jehovah. Toy izany koa fa mahazo tanjaka isika avy amin’ny fiekena mafy fa tsy misy zavaboary “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. — Rom. 8:39, izahay no manao sora-mandry.

Faly izahay mampahafantatra anareo fa nisy rahalahy voahosotra efatra voatendry ho anisan’ny Fitambara-mpitantana miaraka aminay, nanomboka tamin’ny Oktobra 1999. Nambara tao amin’ny fivoriana fanao isan-taona izany. Ny salan-taonan’ireo rahalahy vao voatendry ireo dia 57, ary ny salan-taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro azy dia 31. Ireto avy ny anarany: Samuel F. Herd, M. Stephen Lett, Guy H. Pierce, ary David H. Splane.

Na be taona ianao, na vao herotrerony, na tanora, na ankizy, dia tianay homena toky fa tia anao tokoa ny Fitambara-mpitantana. — 1 Jaona 3:23; 2 Jaona 1.

“Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana”, raha mbola ‘mitahiry ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’ koa ianareo. — Joda 2, 21.

Ireo rahalahinareo,

Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah