Tatitra Maneran-tany
Tatitra Maneran-tany
Fanorenana ho An’ny Olona Betsaka
Tamin’ny 1935, dia nanjary fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah avy tao amin’ny Soratra Masina ny fikasan’Andriamanitra hanangona olona betsaka, mandritra izao fandehan-javatra ankehitriny izao, mba hanompoan’izy ireo an’i Jehovah mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. (Apok. 7:9, 10). Tamin’io taona io ihany, dia sambany vao nantsoina hoe Efitrano Fanjakana ny toeram-pivorian’izy ireo, tany Hawaii. Efitrano Fanjakana an’arivony maro ankehitriny no feno hipoka olona nanaiky ny fampanantenana mampahery ao amin’ny Baiboly, sady miaiky fa ara-drariny ny fari-pitsipika ao anatiny.
Olona an-tapitrisany maro no manatrika tsy tapaka fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Olona ana hetsiny maro no atao batisa isan-taona, ka manjary tena ilaina maika dia maika ny hanorenana Efitrano Fanjakana maro kokoa. Nasehon’ny fanadihadiana iray tamin’ny 1998 fa Efitrano Fanjakana fanampiny 8 000 teo ho eo no nilaina maika dia maika tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana 40. Inona no tontosa nandritra ny taon-dasa, raha ny amin’io zavatra nilaina io?
Naorina ny Biraom-paritra Momba ny Efitrano Fanjakana, tany amin’ny toerana lehibe toa an’i Afrika Atsimo sy i Aostralia ary i Alemaina. Avy ao amin’ireo foiben’ny asa ireo no anombohan’ny mpiandraikitra ny tetik’asa mandamina ny fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana any Afrika Atsinanana sy Andrefana, any amin’ny faritr’i Azia-Pasifika, sy any Eoropa Atsinanana. Hatramin’izao, dia mpanompo iraisam-pirenena 77 no manampy amin’io asa io any
amin’ny tany 21 any Afrika, tany 7 any Eoropa Atsinanana, ary tany 4 any amin’ny faritr’i Azia-Pasifika. Mahazo fanampiana koa izao ny tany roa any Amerika Latinina. Iezahana ny hanorenana Antokona Mpanorina Efitrano Fanjakana manontolo andro, any amin’izay azo anaovana izany. Araka izay azo atao, dia ampiasaina ny fomba fanorenana sy ny fitaovam-panorenana eo an-toerana, ary ampirisihina handray anjara amin’ilay fanorenana ny rahalahy eo an-toerana. Amin’ny voalohany anefa, dia mety hitarika ireo antokona mpanorina ireo ny mpanompo iraisam-pirenena iray na roa, mba hanome ny fiofanana ilaina. Any amin’ny faritra ilana maika dia maika toeram-pivoriana, kanefa tsy ananan’ny rahalahy eo an-toerana fahafahana firy hividy fitaovam-panorenana, dia miezaka koa ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena manome fanampiana amin’io lafiny io.Rehefa avy nahazo fanampiana hanatsotra ny fandaharam-panorenany Efitrano Fanjakana ny rahalahy any Ghana, tamin’ny taon-dasa, dia afaka nanorina Efitrano Fanjakana 13, fa tsy 4 monja araka izay voaorina tamin’ny antsalany, tao anatin’ireo taona faramparany. Efitrano Fanjakana 11 no voaorina tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, tany Burundi, noho ny fanampiana iraisam-pirenena. Ny Efitrano Fanjakana ao Gitega, any Burundi, no trano voalohany naorina teo amin’ilay havoana misy azy io. Mponina maro ao amin’io faritra io izao no miantso ilay havoana hoe ny Tendrombohitr’i Jehovah, mifanaraka amin’ny fanao eo an-toerana.
Nahita fitomboana 40 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory i Liberia tamin’ny 1998, ary fitomboana 19 isan-jato tamin’ny 1999. Mila Efitrano Fanjakana ny ankamaroan’ireo kôngregasiôna ao amin’io tany io, rehefa avy nandia ady an-trano nandritra ny taona maro. Sahirana mafy ara-bola anefa ny ankamaroan’ireo rahalahintsika any, ary maromaro no tsy an’asa. Velom-pankasitrahana erỳ izy ireo noho ny fanampiana ara-bola nomen’ny rahalahiny any an-tany hafa, mba hahafahany hanorina Efitrano Fanjakana izay ilainy! Velom-pankasitrahana koa izy ireo noho ny fanampian’ny mpanompo iraisam-pirenena dimy izay tonga tany mba hanampy tamin’ny fandaminana ilay asa fanorenana.
Efitrano Fanjakana fanampiny maherin’ny 1 800 no ilaina any Nizeria. Tao Abeokuta, any Nizeria, dia nanosika mpitondra fivavahana iray tao amin’ny fiangonana iray teo akaiky hanolo-tena hanampy
tamin’ilay fanorenana, ny nahitany ny firaisan-tsaina sy ny fahazotoan’ny Vavolombelona teo an-toerana izay nandray anjara tamin’ilay asa. Manompo an’i Jehovah miaraka amin’ilay kôngregasiôna nampiany hanorina ny Efitrano Fanjakanany, io ramatoa io, ankehitriny. Tany Togo, dia tojo fanoherana mafy ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray tao amin’ny vohitra iray, hany ka nafindran’ireo rahalahy tany an-toeran-kafa ilay tetik’asa. Rehefa hitan’ireo mpanohitra anefa ilay Efitrano Fanjakana tsara tarehy naorina, dia nanontany izy ireo raha azo natao ny nanorina iray hafa teo amin’ilay toerana nifandirana.Ireo kôngregasiôna any Sri Lanka dia mivory any an-tranon’olona manokana, sy ao amin’ny trano kely vonjimaika mitafo ravim-boaniho, ary eo ambanin’ny fialofana eo an-tokotany. Velom-pankasitrahana erỳ izy ireo noho ny nahazoany toeram-pivavahana sahaza sy mihaja kokoa! Efitrano Fanjakana 13 no aorina any Sri Lanka ankehitriny, 20 fanampiny no efa vita planina, ary 50 no kasaina hatao ao anatin’ny dimy taona manaraka.
Rehefa misy Efitrano Fanjakana sahaza, dia mazoto kokoa ny olona hivory mba handray soa avy amin’ny fampianarana omen’i Jehovah. Rehefa voaorina àry ny Efitrano Fanjakana vaovao lehibe iray ao amin’ny faritanàna manamorona an’i Lima, any Peroa, dia nitombo ny isan’ny mpanatrika tao amin’ireo kôngregasiôna telo mampiasa azy io, ka nisy mpitory vaovao 75 nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, tao anatin’ny herintaona.
Any amin’ireo tanàn-dehibe misy kôngregasiôna maro, dia ampiasaina amin’ny fomba tsara ny tany azo, ka anorenana trano misy Efitrano Fanjakana maherin’ny iray. Fitambaran’Efitrano Fanjakana telo no notokanana tany Romania, tamin’ny faran’ny herinandro 29 sy 30 May. Misy Efitrano Fanjakana efatra ilay iray ao Cluj-Napoca; ny iray hafa misy Efitrano Fanjakana roa. Notokanana ny ampitson’iny tao Târgu-Mureş ny fitambaran’Efitrano Fanjakana iray misy Efitrano Fanjakana fito.
Efitrano Fivoriambe
Misy Efitrano Fivoriambe aorina any amin’ny tany maro mba hanaovana fivoriana lehibe kokoa. Fitambaran’Efitrano Fanjakana/Efitrano Fivoriambe roa no notokanana tany Estonia, tamin’ny
taon-dasa. Misy Efitrano Fanjakana telo misaraka ny tsirairay amin’izy ireo, ka manome Efitrano Fivoriambe lehibe iray ny Efitrano Fanjakana telo mitambatra. Fisehoan-javatra iray niavaka ho an’i Polonina nandritra iny taom-panompoana iny ny fitokanana Efitrano Fivoriambe telo, nandritra ny faran’ny herinandro iray. Nandray anjara tamin’io fotoan-dehibe manokana io ny rahalahy roa anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia i Theodore Jaracz sy i Daniel Sydlik, ary nanao lahateny nampahery tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tsirairay izy ireo. Nampiana trano boribory iray misy seza 6 400 ny lehibe indrindra amin’ireo Efitrano Fivoriambe ireo, ao amin’ny tanànan’i Sosnowiec, ary nampiasaina hanaovana fivoriamben’ny distrika dimy izy ireo, nandritra ny volana Jolay.Tamin’ny taon-dasa, dia Efitrano Fivoriambe efatra fanampiny no notokanana tany Etazonia, izay manana mpitory ilay Fanjakana 980 419 izao, ka manjary manana Efitrano Fivoriambe 40 io tany io, amin’ny fitambarany. Notokanana ny Efitrano Fivoriambe faha-17 any Brezila, izay manana mpitory 528 034. Efitrano malalaka roa misy seza 10 000 izy io, ary adiny iray eo ho eo amin’ny fiarakodia avy ao São Paulo. Notokanana tany Nizeria tamin’ny taon-dasa ny Efitrano Fivoriambe roa fanampiny, tsy misy rindrina, ka ny iray ao Ota, izay mahazaka olona mipetraka 10 000, ary ny faharoa ao Ibadan, izay mahazaka olona mipetraka 5 000.
Misy trano hafa koa aorina mba hanohanana ny fandaharam-pampianarana Baiboly maneran-tany.
Foibem-pampianaran’ny Watchtower
Natao tamin’ny 1986 ny sasany tamin’ireo dingana voalohany notakin’ny lalàna mba hanorenana ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower misy trano 28 ao Patterson, any New York, any Etazonia, ankehitriny. Azo natomboka ilay fanorenana tamin’ny 1989, rehefa ela ny ela. Nanomboka nampiasa ireo trano ireo ny birao samihafa mifandray amin’ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1994. Nafindra tao ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1995. Ao koa no atao ny sekoly ho an’ny Komitin’ny Sampana sy ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Natao ny fandaharam-pitokanana tamin’ny 1999, rehefa ela ny ela. (Navoaka tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1999 ny tatitra iray momba izany.) Vavolombelona sy olon-kafa liana an’aliny maro no
mitsidika ireo trano ireo isan-taona, ary faly izy ireo mahita izay notontosaina tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo nomeny, sy mahita ny ezaka ifarimbonan’ireo rahalahy sy anabavy mpiasa an-tsitrapo, ary ambonin’ny zava-drehetra, dia ny mahita ny fitahian’i Jehovah.Ilaina ny tranon’ny sampana
Nanjary tena nilaina koa ny fanorenana biraon’ny sampana vaovao noho ny fitomboan’ny isan’ny mpidera an’i Jehovah any amin’ny tany maro. Mpianakavin’ny Betela, izay ao anatin’ny Laharan’ireo Mpanompo Manontolo Andro Manokana, no miasa any amin’ireny biraon’ny sampana ireny, ary koa any amin’ny foibe maneran-tany.
BOLIVIA: Notokanana tamin’ny 20 Martsa 1999 ny tranon’ny sampana vaovao ao Santa Cruz, any Bolivia, izay vokatry ny fitomboana teôkratika miavaka. Mpitory 714 no tany tamin’ny fotoana nitokanana ny sampana teo aloha tamin’ny 1968, kanefa nitombo ka nahatratra tampon’isa ambony indrindra 15 388 ny mpitory ilay Fanjakana any Bolivia, ary nisy 53 312 ny tontalin’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny 1999.
Ny mpiasa teo an-toerana ihany — izay Vavolombelona mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroany — no nanorina ilay biraon’ny sampana vaovao manontolo, izay eo amin’ny faritra iva tropikaly any Bolivia. Nahay nifidy tsara ny fitaovana teo an-toerana koa izy ireo rehefa nanao ilay fanorenana. Mangatsiatsiaka mahafinaritra ny ao anatin’ilay rafitra vitan’izy ireo, ka tsy ilana fitaovana fampangatsiahana rivotra, ary mifanaraka tsara amin’ilay toerana be hazo maniry ny endrik’ireo trano. Notokanana ho an’i Jehovah ireo trano ireo, mbamin’ny Efitrano Fivoriambe voalohany any Bolivia, nandritra ny fitsidihan’i Gerrit Lösch, izay anisan’ny Fitambara-mpitantana. Tonga nanatrika io fotoana nahafaly io ny Vavolombelona bolivianina an’arivony maro, ary koa ireo mpitsidika avy tany amin’ny firenena 11, anisan’izany ny misionera taloha nifandimby tao Bolivia tao anatin’ny 54 taonan’ny tantaran’ny fanompoan’ny misionera tany.
MOZAMBIKA: “Lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra”. (Sal. 48:1). Izany no fitenenana ankafizin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Mozambika indrindra, ary re matetika izy io tamin’ny 19 Desambra 1998, fony notokanana tao Maputo ireo tranon’ny sampana vaovao, izay tsy lavitra ny Oseana Indianina. Toa tsy ho azo noeritreretina akory izany, taona vitsivitsy lasa izay. Noraran’ny fitondram-panjakana nandritra ny roapolo taona mahery mantsy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, hatramin’ny 1991. Maherin’ny 6 000 monja izy ireo tamin’io taona io. Tampon’isan’ny mpitory 29 514 anefa no nanao tatitra, tamin’ny faran’ny taona 1998. Nilaina àry ny tranon’ny sampana vaovao.
Tamin’ny fomba ahoana no nanorenana ilay sampana, kanefa ny ankamaroan’ny rahalahy mozambikanina tsy nanana traikefa tamin’io karazan’asa fanorenana io? Nisy mpanompo sy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena maro tonga nanampy, ary nampiofana ny Vavolombelona teo an-toerana izy ireo no sady niasa. Vahiny avy tany amin’ny firenena 15 no tonga nanatrika ilay fitokanana, ary tamin’io faran’ny herinandro io ihany, dia notokanana koa ny Efitrano Fivoriambe voalohany any Mozambika, ao Matola, izay 26 kilaometatra avy eo amin’ny biraon’ny sampana. Lehibe tokoa i Jehovah! Raha tsy noho ny fiahiany tamim-pitiavana, dia tsy ho nahita ireo fisehoan-javatra nanan-tantara ireo mihitsy ny mpanompony any Mozambika.
NOUVELLE-CALÉDONIE: Notokanana tamin’ny 24 Oktobra 1998 ny biraon’ny sampana vaovao iray sy ny Efitrano Fivoriambe iray any Nouvelle-Calédonie. Nanjary niitatra maherin’ny avo telo heny ny haben’ilay sampana. Misy telo ny ekipan’ny mpandika teny miasa ao mba hikarakara izay ilain’i Nouvelle-Calédonie sy ireo faritany miankina aminy.
Fotoana nahafaly sy be zavatra nahaliana ilay fitokanana. Navohitra tao amin’ilay fandaharana ny fampisehoana vidéo iray izay nampisehoana ireo zava-nisongadina tamin’ilay tetik’asa fanorenana. Faly indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah tany Nouvelle-Calédonie, satria tonga tamin’io fotoan-dehibe io i Lloyd Barry, anisan’ny Fitambara-mpitantana, mba hanao ny lahateny fitokanana.
SÉNÉGAL: Taorian’ny nahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Sénégal tamin’ny 1951, dia nisy ezaka be natao mba hampitana ny vaovao tsara tamin’ireo olona an-tapitrisany maro ao anatin’ny faritany iandraiketan’io sampana io. Nisy misionera 194 avy tany amin’ny firenena 18 tonga nanompo tany. Olona an-jatony maro no nampian’ireny misionera ireny hanatevin-daharana
ny mpanompon’i Jehovah any amin’io faritany io, izay tsy kristianina ny maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina ao aminy.Nampiasana fomba vaovao tamin’ny ankamaroan’ny olona ao Cape Almadies, eo an-tsisin’i Dakar, ny fanorenana ilay sampana vaovao. Rehefa nanainga ny takela-drihibato lehibe tsirairay efa voamboatra mialoha ny grue (fibatana enta-mavesatra) ka nametraka azy teo amin’ny toerany, dia nitehaka sy nihoraka ny mpitazana. Milahatra mahitsy tsara ny zava-drehetra. Rehefa nifarana ilay fandaharam-pitokanana tany amin’io tendro farany andrefana amin’i Afrika io, tamin’ny 19 Jona 1999, dia niara-nanandra-peo nihira tamin’ny fony ny mpanatrika rehetra hoe “Misaotra, Jehovah ô!”
Afrika
Tany am-piandohan’ireo taona 1880 no nanombohan’ny tantara maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Afrika. Nanomboka tany amin’ireo taona 1920 ny fitoriana bebe kokoa tamin’ny besinimaro tao amin’io kôntinanta io. Tamin’ny taon-dasa, dia nahatratra tampon’isa maherin’ny 830 000 ny Vavolombelona nanerana an’i Afrika nandray anjara tamin’ny filazana tamin’ny mpiara-monina taminy sy ny hafa momba ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra”. — Asa. 2:11.
Nampahery tokoa ny nahita tanora maro nanao ny sekoly ho faritany itoriany. Nataon’i Dorcas, anabavy tanora iray any Mozambika, ho zava-kendreny manokana ny hitory amin’ny tale sy ny mpampianatra rehetra ao an-tsekoliny, ary koa ireo mpiara-mianatra aminy. Mitarika fampianarana Baiboly valo izy ankehitriny, ary manatrika fivoriana tsy tapaka ny enina amin’ireo olona ampianariny Baiboly. Nandroso ho amin’ny batisa ny telo hafa, ary avy eo dia nahafeno fepetra ho tonga mpisava lalana maharitra. Nanaiky ny fanasan’i Dorcas hanatrika fivorian’ny kôngregasiôna ny efatra tamin’ny mpampianatra azy, tamin’ny fotoana samihafa. Miara-mianatra ny Baiboly amin’ny iray amin’izy ireo ny rain’i Dorcas ankehitriny. Ny mpampianatra hafa iray, izay nanomboka nitorian’i Dorcas, dimy taona lasa izay, fony izy nianatra tany amin’ny sekoly hafa, dia namaly ny fanasana nataony tamim-pikirizana, rehefa ela ny ela, ka nanaiky hiara-mianatra ny Baiboly aminy, mba handray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana marina koa.
Nanomboka tamin’ny 1995 no nanehoana fiheverana bebe kokoa ireo olona dimy tapitrisa lalodalovana, araka ny tombana, any Nizeria.
Rehefa avy nahita ny nandikana ireo lahateny tao amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tamin’ny baikon’ny moana ny mpitory maro, dia naniry hianatra ny fomba firesaka amin’io fiteny io. Tao anatin’ny herintaona mahery kely, dia mpitory sy mpisava lalana 216 avy tao amin’ny kôngregasiôna 61 no nianatra baikon’ny moana, ampy mba hitarihana fampianarana Baiboly sy handikan-teny any amin’ny fivoriana. Kôngregasiôna maherin’ny 80 ankehitriny no manana mpandika teny ho an’ny marenina, mandritra ireo fivoriana.Nanapa-kevitra ny ho tonga relijiozy i Florence, tovovavy iray any Côte d’Ivoire. Nahakivy azy anefa ireo fampianarana nolazaina fa mistery ka tsy nanomezana fanazavana, ary nanafintohina azy ny fanangolen’ny pretra iray azy imbetsaka hanao fitondran-tena maloto. Nandao ilay couvent izy. Tojo azy ny Vavolombelon’i Jehovah nitory isan-trano tatỳ aoriana, tany Burkina Faso. Tsy ela izy dia tonga mpanompon’i Jehovah sambatra, rehefa avy nianatra ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana.
Indroa tamin’ny taon-dasa ireo Efitrano Fanjakana sy tranon’olona manokana tao Bangui, any amin’ny République centrafricaine, no nosokafana ho an’ny Vavolombelona voatery nandositra avy tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo rotidrotiky ny ady ka nita ny renirano. Voatery nita nankao Bangui ny rahalahy sy anabavy maherin’ny 200, mbamin’ny fianakaviany ary ny olon-kafa, tamin’ny volana Jolay. Nasaina nifanizina teo an-kalamanjana tao an-tseranana ny ankamaroan’ny mpitsoa-ponenana, fa voakarakara ara-batana sy ara-panahy kosa ireo rahalahintsika. Nalamina tao amin’ny Efitrano Fanjakana roa ny fivoriana tamin’ny fiteny lingala ho azy ireo, ary natao ny fivoriana dimy rehetra fanao isan-kerinandro. Hoy ny manam-pahefana iray teo an-toerana, izay nandinika izany rehetra izany: “Mahafinaritra ny zavatra nataonareo, dia ny nanokafanareo ny efitranonareo ho an’ireo olona mampalahelo ireo. Mendri-koderaina noho izany ianareo.” Nisakana ny misionera iray ny lehilahy hafa iray nandalo teo anoloan’ilay efitrano, ka nilaza hoe: “Miaina mifanaraka amin’izay torinareo ianareo. Mirary soa indrindra ho anareo aho. Hotahin’Andriamanitra noho izany ianareo.”
Fony niditra hopitaly ny mpitory tsy vita batisa iray, tany Ghana, taona maromaro lasa izay, dia nitory isaky ny farafaran’ny hopitaly izy, na dia narary aza. Nankasitraka izay notoriny ny sasany, ny hafa nanda, ary nihaino ny vehivavy iray, nefa toa tsy namaly. Taona maro
tatỳ aoriana, fony io mpitory io, izay efa mpisava lalana manokana ankehitriny, nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” iray tany Ghana, dia nihaona tamin’ny vehivavy iray fantany. “F’ahoana no maha eto anao?”, hoy ilay mpisava lalana nanontany azy. “Mahatalanjona i Jehovah”, hoy ilay ramatoa. “Nanontany tena foana aho raha hahita anao indray andro any mba hisaotra anao noho ilay fahamarinana momba ilay Fanjakana nambolenao tao am-poko, tany amin’ny hopitaly. Narary be aho ka tsy namaly tamin’izay, kanefa noeritreretiko sy nosaintsainiko foana ny zavatra nolazainao momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay ‘tsy hisian’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho’. Raha vantany vao nivoaka ny hopitaly aho, dia nitady Vavolombelon’i Jehovah, ka nanomboka nampianatra ahy misimisy kokoa izy ireo. Nafindra toerana indray aho, taoriana kelin’izay. Nitady Vavolombelon’i Jehovah aho tany amin’ilay toerako vaovao, ary nanohy ny fianarako ny Baiboly. Ny vokany dia hatao batisa amin’ity fivoriambe ity aho rahampitso.” Nifamihina izy mirahavavy, ary samy nandrotsaka ranomasom-pifaliana. Tena namokatra tsara tokoa iny fitoriana tany amin’ny hopitaly iny!Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray sembana nandritra ny 13 taona noho ny filalaovana ody, tany Mali. Tsy afa-nandeha izy fa tsy maintsy nandady. Natomboka ny fampianarana Baiboly azy. Nilazana momba ireo fivorian’ny kôngregasiôna izy, kanefa tsy nanantena firy ny hahatongavany tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay anabavintsika, rehefa nieritreritra ny fahasembanany. Nanohina ny fon’ilay ramatoa anefa ny fahamarinana. Alao sary an-tsaina ny fahagagan’ireo rahalahy sy anabavy nahita azy teo anoloan’ny Efitrano Fanjakana, niandry ny hanombohan’ny fivoriana. Nanatitra azy nody ny rahalahy iray manana fiarakodia, nony avy eo. Rehefa nandroso ny fianaran’ilay ramatoa, ka nitombo ny finoany an’i Jehovah, dia afaka tamin’ny fanandevozan’ny fanahy ratsy izy. Nanomboka nampiasa tsikelikely indray ny tongony izy, ary rehefa afaka enim-bolana, dia afa-nandeha indray izy! Mpanompon’i Jehovah vita batisa izy ankehitriny.
Nandritra ny fiatoana tamin’ny sakafo antoandro, tamin’ny andro faharoa niasany tao amin’ny toeram-piasany vaovao, dia nanombo-dresaka tamin’ny mpiara-miasa taminy iray ny mpisava lalana maharitra iray any Ouganda, ka nanao hoe: “Manahoana ianao. Hitako ho
tena sarotra ny mahafantatra ny anaran’ny mpiara-miasa rehetra amiko.” “Aza manahy fa tsy ho ela dia ho hainao avokoa izy rehetra”, hoy ilay mpiara-miasa taminy. “William no anarako.” “Misaotra anao aho mampahafantatra ny tenanao”, hoy ilay mpisava lalana. “Fantatro anefa fa olana maneran-tany ny fahafantarana ny anaran’ny olon-kafa.” “Inona no tianao holazaina?”, hoy i William. Hoy ilay mpisava lalana nanohy ny teniny: “Ohatra, raha anontaniana ny anaran’ny Mpamorona izao rehetra izao mbamin’ny zavamananaina rehetra ianao, ho afaka ny hilaza izany mora foana ve ianao?” Nanjary nianatra ny Baiboly ilay rangahy ny ampitson’iny, vokatry ny fiaraha-nidinika nataon’izy ireo momba ny anaran’Andriamanitra. Nanasa ilay mpisava lalana ho any an-tranony i William, mba hiresaka tamin’ny fianakaviany. Vavolombelona vita batisa ny dimy amin’io fianakaviana io ankehitriny. Talohan’ny Fahatsiarovana, dia nitety birao ilay mpisava lalana mba hanasana mpiara-miasa taminy hanatrika io fisehoan-javatra lehibe io. Endrey ny hafaliany nahita 40 tonga nanatrika!Olona maro any Afrika no nijaly noho ny ady tao amin’ny taniny. Matetika izy ireo no voatery nandositra niala ny tranony. Raha Vavolombelon’i Jehovah anefa ireo mpitsoa-ponenana, dia manohy mitory ny vaovao tsara izy ireo. Rahalahy sy anabavy maro tao amin’ny renivohitr’i Guinée-Bissau, any Afrika Andrefana, no nandositra nankany amin’ny tanànan’i Buba, any amin’ny 240 kilaometatra. Rahalahy iray sy ny vadiny no nipetraka tao, kanefa tsy nisy kôngregasiôna tao. Tsy ela taorian’ny nahatongavan’ireo Vavolombelona avy tany an-drenivohitra anefa, dia nalamina ny fivoriana, ary nandroso ny asa fitoriana. Tsy ela dia olona 40 no nanatrika ireo fivoriana, ary fampianarana Baiboly 70 no notarihina.
Mpitory 30 tao amin’ny Kôngregasiônan’i Giteranyi, any Burundi, no nandeha an-tongotra 160 kilaometatra teo ho eo, mba hanatrehana ny fivoriamben’ny fizaran-taniny tao Kayanza. Naharitra telo andro ilay dia. Nitondra ny sasany lavidavitra tamin’ny bisikileta ireo nanana bisikileta, ary avy eo dia niverina mba haka an’ireo nandeha an-tongotra mbola tany aoriana, ka nanatitra azy ireo lavidavitra indray, ary dia toy izany hatrany. Tody ny fianakavian’i Nzeyimana Jean manontolo — ny vadiny, ny rafozambaviny, sy ny zanany fito, anisan’izany ny iray izay voan’ny lefakozatra ka mampiasa tehina. Faly be ny rehetra rehefa tonga tany amin’ilay toerana nanaovana fivoriambe.
Ireo Tanin’i Amerika
Tamin’ny taonjato faha-18, dia nisy tamin’ny fiteny anglisy sy frantsay sy espaniola ary portogey, izay fiteny niely patrana indrindra tany amin’ireo tanin’i Amerika, ny Baiboly manontolo. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia nanomboka fandaharam-pampianarana Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny nahafantarana azy ireo tatỳ aoriana, ka tafiditra saika tany amin’ireo tanin’i Amerika rehetra izany fampianarana izany, tamin’ny 1935. Misy Vavolombelona be zotom-po 2 769 625 any amin’ireo tany ireo, ankehitriny.
Mangatsiaka be any amin’ny toerana sasany, kanefa mbola mitohy ihany ny fitoriana ny vaovao tsara. Milaza ny loholona iray avy ao amin’ny Kôngregasiônan’ny Tendrontany Avaratra any Alaska, fa mitohy ny asa fitoriana isan-trano, na dia amin’ny maripana -37 degre Celsius aza, ary atao ny fivoriana, na dia -48 degre Celsius aza ny maripana. Mitaky fiaretana ny fanompoana ao anatin’ny toetr’andro toy izany.
Any amin’ny faritany sasany an-tanàn-dehibe, any amin’ny trano maro, dia mahalana ny tompon-trano no mamela ny mpitory hiresaka aminy mifanatrika, noho ny tahotra heloka bevava. Fony nitory tao amin’ny trano iray toy izany ny mpitory iray any Arzantina, dia niresaka tamin’ny vehivavy iray nihaino tsara izy, tamin’ny alalan’ny telefaonina eo am-bavahady. Natao àry ny fandaharana mba hanohizana ilay resaka tamin’ny fotoana hafa. Niverina nitsidika imbetsaka ilay mpitory, saingy tsy nifanatri-tava mihitsy izy
ireo. Nahaliana anefa ny resaka nifanaovan’izy ireo, ary namaky andinin-teny tamin’ny alalan’ilay telefaonina eo am-bavahady ilay mpitory. Taorian’ny efa-bolana, dia nanasa ilay mpitory hiditra tao an-tranony ilay ramatoa, rehefa ela ny ela, ka natomboka ny fampianarana Baiboly. Novalian-tsoa ny fikirizana tamim-paharetana nasehon’ilay mpitory.Misy maherin’ny 17 000 ny trano fitaizana ny be antitra any Etazonia, ka olona be taona ana hetsiny maro no mipetraka any. Ahoana no itondrana ny vaovao tsara any amin’ireny zokiolona ireny? Nahita fahombiazana ny kôngregasiôna sasany rehefa nanatona ny talen’ny fanetsiketsehana ao amin’ireny trano ireny, ka nanolo-tena hanampy amin’ny fikarakarana izay ilaina ara-panahy. Ohatra, nohazavaina fa ho faly ireo mpiasa an-tsitrapo avy ao amin’ilay kôngregasiôna, hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana isan-kerinandro, amin’ny olona na iza na iza maniry hanatrika ilay fianarana. Nekena tamim-pifaliana ilay fanolorana. Matetika no tonga manatrika ilay fianarana ny mpiasa sy ny havana ary ny mpitsidika sy mpiasa an-tsitrapo hafa. Nanoratra toy izao ilay talen’ny fanetsiketsehana: “Manome fanohanana ara-panahy ilay fiaraha-mianatra, ary mampitombo hatrany ny fahasambaran’ireo mipetraka ato aminay. Tena tian’izy ireo ilay fianarana ny Baiboly.” Tsapan’io tale io fa nanaitaitra ny sain’ireo be taona ilay izy. Faly be ireo mpiasa fa nanomboka nanome valin-teny tao amin’ilay fianarana ny vehivavy zokiolona iray izay tsy niteny mihitsy, hatramin’ny nahatongavany tao amin’ilay trano fitaizana ny be antitra. Dodona ny hanatrika ilay fianarana ny Baiboly ny lahiantitra iray izay tsy nanatrika mihitsy ny fanetsiketsehana hafa tao amin’ilay trano fitaizana.
Niresaka tamin’ny vehivavy iray namoy ny zanany lahy 12 taona tamin’ny voina iray ny anabavy iray any Silia, fony izy nitory tao amin’ny toeram-pandevenana iray. Nitsidika ny fasan-janany indroa isan’andro io renim-pianakaviana vonton’alahelo io. Niresaka taminy momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ilay Vavolombelona, ary natomboka ny fampianarana Baiboly azy. Niresaka tamin’ny mpiara-monina taminy izay maty anaka koa sady nitsidika isan’andro ny fasan-janany, ilay ramatoa. Nanomboka nianatra koa io vehivavy mpiara-monina taminy io. Nangataka ny pretra hitarika fotoam-pivavahana ho an’ilay zafikeliny efa nodimandry
ny renin’io ramatoa io, fony nitsidika ilay toeram-pandevenana. Tsy nahafaly azy ny valin-tenin’ilay pretra ka nitsahatra tsy nankany am-piangonana intsony izy, ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Mizara ny fanantenana vao azony izy telo mianaka ireo ankehitriny, amin’ny olon-kafa mitsidika ilay toeram-pandevenana.Moa ve ianao hamela an’i Jehovah hampiasa anao hanampy olon-kafa hianatra ny fahamarinana, na dia voafetra ihany aza ny mety ho vitanao? Izany no nataon’ny misionera iray any Costa Rica. Mbola tsy nahay niresaka tsara tamin’ny fiteny espaniola izy, kanefa dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Ana, izay katolika mafana fo. Nampiasaina niaraka tamin’ny Baiboly ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Tsy mahita tsara i Ana, koa nihaino fotsiny ny famakiana ireo fehintsoratra sy ireo andinin-teny izy, ary avy eo dia nanazava ny heviny. Indray herinandro izay, dia nilaza izao teny mampahery izao tamin’ilay anabavy misionera i Ana: “Tsy mampaninona ahy raha tsy afaka mifampiresaka tsara isika. Maro amin’ireo zavatra nodinihintsika no hafa noho izay ampianarin’ny Eglizy Katolika. Raha nahazo fanazavana lava be, tamin’ny teny tsara lahatra aho, dia tsy ho nino ireo zavatra ireo, kanefa asehonao amiko avy ao amin’ny Baiboly mivantana izy ireo, tsy ampiana teny maro tsy ilaina, koa hitako fa izany marina no ampianarin’ny Baiboly.”
Nanao ezaka manokana mba hitondrana nomerao sasany amin’ny Mifohaza! ho an’ny mpampianatra any an-tsekoly ny Vavolombelona any Nikaragoay. Anisan’ny nasongadin’izy ireo ilay loha hevitra hoe “Inona no Fanantenan’ny Tanora Amin’izao Andro Izao?” Miharihary ny hasarobidin’ilay fanazavana. Tao amin’ny tanàna iray, na dia nanohitra aza ny mpampianatra iray, dia nasain’ny talen’ny sekoly iray hanao fanolorana gazety teo anatrehan’ny mpianatra rehetra ny Vavolombelona. Nanao famelabelarana nisesy nandritra ny adiny iray sy sasany ny Vavolombelona, ary mpianatra maro no nangataka zavatra vita an-tsoratra. Taorian’izay, ilay mpampianatra izay nanohitra teo aloha sady talen’ny sekoly hafa iray, dia naniry ny hamerenan’ny Vavolombelona ilay fanolorana tao amin’ilay sekoly niadidiany. Natao àry izany. Natomboka ny fampianarana Baiboly azy, ary iriny izao ny hanaovan’ny Vavolombelona lahateny amin’ireo mpianatra, isam-bolana.
Eorazia
Manondro an’i Eoropa sy i Azia ho kôntinanta iray ilay anarana hoe Eorazia. Teo no nilazan’i Jehovah voalohany ny vaovao tsara tamin’i Abrahama. (Gal. 3:8). Teo koa no nanorenan’i Jesosy Kristy ny fototry ny asa fitoriana ny filazantsara izay naharitra hatramin’izao androntsika izao. (Matio 28:19, 20). Miezaka hizara ny vaovao tsara amin’ny olona any amin’ireo firenena rehetra sahabo ho 80 any Eorazia, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra ny fiteny an-jatony maro efa anontan’ny Fikambanana Watch Tower zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, dia nampiana fiteny 36 izany, nanomboka tamin’ny 1995, mba hitondrana ny vaovao tsara any amin’ny olona 170 000 000 fanampiny any amin’io kôntinanta io. Anisan’ireo fiteny ireo ny pendjabi (nastaliq), ny ouzbek, ny kazakh, ny tajiki, ny azerbaïdjanais, ary ny mongol.
Niharatsy ny toe-draharaha tany Kosovo, nandritra ny taona 1999. Albaney efa ho 800 000 avy tao Kosovo no tonga mpitsoa-ponenana tao amin’ireo tany nanodidina. Efa ho 500 000 tamin’izy ireo no nandositra nankany Albania. Nisy Vavolombelon’i Jehovah 14 niaraka tamin’ny zanany 8 teo anivon’ireo mpitsoa-ponenana ireo. Nampidanadana ny varavarany teo anoloan’ireo rahalahy ireo ny Vavolombelona tany Albania, ary nanampy azy ireo nandritra ny fotoan-tsarotra. Rehefa niharatsy ny adim-poko, dia nanjary nazava kokoa tamin’ireo rahalahy avy tany Kosovo ny tokony hataony ho laharam-pahamehana. Naniry hahazo antoka izy ireo fa tsy nahita loza ireo rahalahiny serba. Nanao ezaka manokana hifandraisana tamin’ireo rahalahiny albaney kosa ny Vavolombelona serba,
mba hahazoana antoka fa tsy nahita loza izy ireny. Fitiavana re izany, mifanohitra amin’ny fankahalana ara-poko nanodidina azy ireo! Dodona ny hody ireo rahalahy avy tany Kosovo, rehefa afaka efa-bolana. Tsy ny hitondra entana ara-nofo be dia be no zavatra nahiny. Nangataka baoritra feno zavatra vita an-tsoratra kosa izy ireo mba hitondrana ny hafatra mampionona momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hafa.Rehefa niresaka tamin’ny vehivavy iray tamin’ny alalan’ny telefaonina eo am-bavahady ny Vavolombelona iray tany Belzika, dia nilaza taminy tamim-pahatsorana ilay ramatoa hoe tsy vonona hiresaka momba ny fivavahana izy tamin’io fotoana io. Nanolo-kevitra ny hiantso azy an-telefaonina ilay anabavintsika, rehefa aoriana kely. Gaga ilay ramatoa rehefa tena naharay ilay antso an-telefaonina tokoa, andro vitsivitsy taorian’izay. Nohazavain’ilay ramatoa fa tsy maintsy nifindra trano izy, ary nangataka ny fanampian’ny Biraon’ny Fanampiana Ara-tsosialy izy mba hahitany trano hafa. Rehefa avy nifampiresaka an-telefaonina indray mandeha izy mirahavavy tatỳ aoriana, dia tsy nifandray intsony. Koa nanapa-kevitra ny hanoratra taminy ilay Vavolombelona, ary nandefa ilay taratasy tany amin’ny Biraon’ny Fanampiana Ara-tsosialy. Napetraka tao amin’ny antontan-taratasin’ilay ramatoa ilay taratasy, ary nitohy indray ny fifandraisana rehefa azony ilay izy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nilazan’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana hoe: “Azo antoka fa hahita mpianatra vaovao isika rehetra, raha samy miara-miezaka mba hanomboka fampianarana sy mivavaka mba hotahin’i Jehovah ny ezaka mafy ataontsika!” Rehefa avy nivavaka tamin-kafanam-po tamin’i Jehovah ilay anabavintsika, dia niantso an-telefaonina an’ilay ramatoa ka nilaza taminy fa dodona ny hiara-mianatra ny Baiboly taminy izy. Nanaiky ny hianatra ilay ramatoa. Manatrika ny fivorian’ny kôngregasiôna izy sy ny vadiny ankehitriny, ary mitory amin’ny havany aman-tsakaizany ny zavatra tsara ianarany.
Indray andro, raha avy ny orana, dia niresaka tamin’ny mpivarotra tao amin’ny tanàna iray tsy nitoriana firy any Malezia, ny mpisava lalana manokana tsy maharitra iray sy ilay namany. Nanatona azy mirahavavy ny mpianatra iray tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, izay nijanona teo akaiky teo mba hiandry ny hitsaharan’ilay oram-be, ka nangataka ilay zavatra vita an-tsoratra natolotr’izy ireo. Nohazavaina taminy ny amin’ny fampianarana Baiboly maimaim-poana
any an-tokantrano, ary natoron’ireo mpisava lalana azy ny toerana nipetrahany. Niantso an-telefaonina ilay tovovavy, rehefa afaka herinandro teo ho eo. Voavakiny tanteraka ilay zavatra vita an-tsoratra, ary naniry hahazo hafa izy. Natomboka ny fampianarana Baiboly azy. Nazoto namaky teny io tovovavy io, ka nangataka zavatra vita an-tsoratra fanampiny, saika isaky ny notsidihina. Indraindray izy dia niantso an-telefaonina tamin’ny alina be mba hangataka ny boky resahina ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra. Koa satria nandalo fotsiny tao amin’ilay tanàna ireo mpisava lalana ireo, indraindray dia tonga nampianatra an’ilay tovovavy izy ireo, ary indraindray dia natao tamin’ny alalan’ny fifanoratana ilay fianarana. Nahavita ny boky Fahalalana tao anatin’ny roa volana ilay tovovavy. Efa nitory tamin’ny namany sy tao anaty aotobisy koa izy. Nanao fandrosoana tsara izy, ary mpitory tsy vita batisa izao, dodona ny hahafeno fepetra ho amin’ny batisa.Ninamana tamin’ny mpiara-monina taminy vaovao iray ny Vavolombelona iray any Italia. Niverina avy tany Alemaina ilay mpiara-monina taminy, satria nampanantenaina ny homena asa ny vadiny. Tsy azon’ilay rangahy anefa ilay asa. Koa nilaozan’ilay rangahy tao Italia ny fianakaviany, ka nankany an-tany hafa indray izy mba hitady asa. Fony izy tany, dia nanampy ny vadiny tamin’ny fiantsenana ilay mpivady Vavolombelona, nanatitra ny zanany tany am-pianarana, nanasa azy mbamin’ny zanany hisakafo, ary nanome azy ny fanohanana ara-tsaina tena nilainy aoka izany. Nanontany ilay ramatoa hoe inona no antony nanaovan’izy mivady izany rehetra izany. “Satria tia ny mpiara-belona aminay izahay Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny valin-tenin’izy ireo. Nilaza ilay ramatoa fa mbola tsy nanam-potoana nihainoana ny Vavolombelona mihitsy izy teo aloha, fa izao kosa izy dia liana ta hahafantatra izay inoan’izy ireo. Natomboka ny fampianarana Baiboly azy tsy tapaka, ary nanomboka nanatrika fivorian’ny kôngregasiôna koa izy. Tetsy an-danin’izany, dia niverina nody ilay vadiny. Nanolo-kevitra ny hampianatra Baiboly azy koa ny Vavolombelona, saingy nanda izy satria tsy nilamin-tsaina. Mbola sahirana indray izy nitady asa. Rehefa nifindra tany amin’ny faritra hafa any Italia ilay fianakaviana, dia nahazo ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana tany ilay mpivady Vavolombelona, ka nampirisika an’ilay ramatoa hankany. Saro-kenatra be anefa izy, ka tsy nandeha. Na izany aza, dia niantso azy an-telefaonina isan-kerinandro ilay anabavintsika, mba hitanana ho velona hatrany ny
fahalianany momba an’i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, ka nahita Vavolombelona roa nitory teny amin’ny arabe ilay ramatoa, dia nangataka tamin’izy ireo hampianatra Baiboly azy. Nanomboka nanatrika fivoriana koa izy. Tetsy an-danin’izany, dia nahita asa ilay vadiny. Nangataka ny hianatra koa izy. Kristianina vita fanoloran-tena sy batisa izy mivady ankehitriny. Vita batisa koa ny zanany roa voalohany, ary mpitory tsy vita batisa ny zanany fahatelo.Liana mafy tamin’ny fanatratrarana ny olona rehetra tao amin’ny faritaniny ny mpisava lalana iray any Luxembourg. Nikatona foana ny varavarankelin’ny trano iray, ary tsy nisy olona tao amin’ilay trano. Indray andro anefa, fony teny an-dalana haka ny zanany vavy tany an-tsekoly ilay mpisava lalana, dia nahamarika fiarakodia iray nijanona teo anoloan’ilay tranon’ny tsy tratra an-trano mihitsy. Mazava ho azy fa tsy nieritreritra ny hanompo teny amin’ny saha akory izy tamin’io fotoana io, saingy tsy tiany havela handalo fotsiny ilay fahafahana nisokatra teo anoloany. Nampaneno ny lakolosim-baravarana àry izy. Nilaza ilay rangahy namoha ny varavarana fa tsy tena liana tamin’ny Baiboly ny tenany, saingy ta hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Jesosy Kristy. Namelan’ilay anabavy ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ilay rangahy. Natomboka ny fampianarana Baiboly azy, taorian’ny fitsidihana maromaro nataon’ilay anabavy sy ny vadiny. Tamin’ny voalohany anefa, dia tsy nanaiky hianatra afa-tsy isaky ny roatokom-bolana ilay rangahy, satria feno be ny fandaharam-potoanany. Nanomboka niova tsikelikely anefa ny fomba fijeriny ny fiainana. Takany fa nila nanokana fotoana bebe kokoa hianarana sy hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy. Nafoiny ny filalaovana pingipongy tafahoatra, izay nanokanany alina efatra isan-kerinandro. Rehefa takany mazava tsara ny raharaha momba ny fialanalanana kristianina, dia nialany ny asany ka nanaiky hanao asa nahazoany karama latsaka ny antsasaky ny karamany teo aloha izy. Ahoana no fiheverany ny fiovana toy izany? Hoy izy: “Faly aho nanao izany. Raha ny marina, dia niriko mafy ny hampifanaraka ny fiainako amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly. Nanohy nandroso tao amin’ny fahamarinana aho, ka tsy nisy na inona na inona nisakana ahy intsony tsy ho tonga mpitory tsy vita batisa, ary hanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa tao anaty rano, dimy volana taorian’izay.” Velom-pankasitrahana erỳ izy noho ilay anabavy mpisava lalana nanatontosa tamin’ny fomba feno tokoa ny fanompoany!
Ireo Nosin’ny Tany
Asain’i Jehovah hifaly noho ny fanjakany ny olona rehetra eto an-tany, anisan’izany ireo mponina anosy. (Sal. 97:1). Tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia efa nisy teratany tao amin’ny nosy Kreta, anisan’ny naharay io fanasana io. Olona an’aliny maro any amin’ireo nosin’ny tany no namaly io fanasana io, tamin’ny taonjato faha-20. Misy 132 496 ireo miresaka amin’ny hafa momba ny voninahitry ny fanjakan’i Jehovah, any Philippines. Misy 222 857 mandray anjara amin’io fanompoana mahafaly io, any amin’ireo nosin’i Japon. Na dia ireo nosy tsy misy afa-tsy mponina vitsivitsy monja aza, dia manana fahafahana hifaly noho ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nandresy ny fitsarana an-tendrony momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ny hatsaram-panahy nasehon’ny rahalahy mpisava lalana tanora iray any Samoa. Nankany amin’ny toerana fizahana marary tany amin’ny hopitaly izy, nomena nomerao iray, ary nilazana mba hiandry ny anjarany. Rehefa nantsoina anefa ny nomeraony, dia teo anilany tamin’izay fotoana izay ny vehivavy be taona iray izay toa narary kokoa noho ny ankamaroan’ny olon-kafa teo. Koa nanontany tamin-katsaram-panahy an’ilay mpitsabo mpanampy àry ilay rahalahy, raha azony natao ny nampifamadika ny anjarany tamin’ny an’io vehivavy be taona io. Gaga ilay mpitsabo mpanampy, kanefa nanaiky. Rehefa nantsoina indray ilay rahalahy, dia teo anilany tamin’izay fotoana izay ny iray tamin’ireo raiamandrenin’ny tanànany (matai). Koa satria narary kokoa noho ilay rahalahintsika ilay rangahy, dia nafoin’ilay rahalahy indray ny anjarany mba hahafahan’io
rangahy io hankao amin’ny dokotera tsy nisy hataka andro. Tatỳ aoriana, dia nihaona tamin’ilay vehivavy be taona indray ilay rahalahintsika, saingy teny an-tsena tamin’ity indray mandeha ity. Faly be ilay ramatoa nahita azy, ary nanontaniany izy raha Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa fantany hoe Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nilazany fa tsy nandray ny Vavolombelona tonga nitsidika azy izy tamin’ny lasa, kanefa fantany ankehitriny fa tena tia ny mpiara-belona aminy tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomeny ny adiresiny, ary natomboka ny fampianarana Baiboly azy tsy tapaka. Ary ahoana ny amin’ilay raiamandrenin’ny tanàna? Nohazavainy tamin’ny rain’ilay mpisava lalana fa tsy nanaja ny Vavolombelona izy teo aloha, saingy izao kosa izy dia mandray azy ireo an-tanan-droa ao an-tranony. Tonga tamin’ny Fahatsiarovana izy, ka nanao hoe: “Izay tsy tianao amin’ny voalohany, dia mety ho tianao amin’ny farany.”Azo atao ve ny manomboka fampianarana Baiboly any amin’ny faritany be toeram-piasana? Azo atao izany indraindray. Nanatitra gazety tsy tapaka tao amin’ny mpandraharaha iray, ny mpisava lalana manokana iray any Chypre. Rehefa nilaza ny fankasitrahany ny zavatra novakiny ilay rangahy, dia nasehon’ilay mpisava lalana taminy ny fianarana ny Baiboly, tamin’ny bokikely Takina. Atao ao amin’ny toeram-piasan’ilay rangahy mihitsy izao ilay fianarana, saingy mihevitra ny tarehin-javatra ilay mpisava lalana, ka ferany ho 10 na 15 minitra ilay izy, isaky ny mianatra izy ireo.
Nantitranterina manokana ny fitoriana eny amin’ny arabe tany Goadelopy. Tena ilaina tokoa ve ny fitoriana eny amin’ny arabe, rehefa heverina fa misy mpitory 1 isaky ny mponina 55 any? Miharevo mijery televiziona ny olona, rehefa ao an-tranony. Mora kokoa ny mampiato azy ireo mba hihaino ny vaovao tsara, rehefa tsy ao an-tranony izy ireo. Nanao tatitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray fa nizara gazety 250, sy taratasy mivalona, tao anatin’ny adiny roa teo ho eo, ny mpitory 15 nitory teny amin’ny arabe, tany Saint-Martin. Mazava ho azy fa mety hilaza ny sasany izay mandray amim-pifaliana zavatra vita an-tsoratra hoe be atao loatra izy ireo ka tsy afa-miresaka. Rehefa mamelona ny fahalianan’ny olona iray amin’ny zavatra ara-panahy anefa ny tarehin-javatra eo amin’ny fiainany, dia mety hiova ny zavatra ataony ho laharam-pahamehana. Ohatra, tao amin’ny tanànan’i Les Abymes, dia nanana fanontaniana be dia be ny olona iray toy izany, rehefa maty ny rainy. Naniry
hianatra saika isan’andro izy izao, tamin’ny bokikely Takina aloha, avy eo tamin’ny boky Fahalalana. Manao fikarohana ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra koa izy, ary soratany eo amin’ny ravin-taratasy ireo andinin-teny voatonona. Milaza izy fa mahatsiaro ho “toy ny mpanjakan’ny Isiraely izay nanao kopia ny Soratra Masina ho azy manokana”. Nanjary nanatsoaka hevitra izy fa angamba “manana ny Baiboly ny fivavahana rehetra antsoina hoe kristianina, saingy iray monja no mampihatra azy io, dia ny Vavolombelon’i Jehovah”.Reny mitaiza irery ny zanany roa i Hatsuko, any Japon. Manao asa roa izy, mba hamelomana ny ankohonany. Fotoana toy inona no itoriany amin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny fikasany feno fitiavana ny amin’ny olombelona? Mandeha bisikileta 20 minitra eo ho eo izy rehefa mankany amin’ny tsirairay amin’ireo toeram-piasany. Nanapa-kevitra ny hampiasa izany fotoana izany isan’andro izy mba hitoriana. Miresaka amin’ny olona mifanena aminy izy, amin’ny mpandalo, ny mpividy amin’ny milina fivarotana, ny olona manatitra entana, ny mpiasan’ny fanorenana, sy ny sisa. Nitaky ezaka be taminy ilay izy tamin’ny voalohany, satria saro-kenatra izy. Nanapa-kevitra izy fa tsy hiteny lava be, fa ho tsara kokoa ny hamelana ny gazety hiteny. Afa-tsy izany koa, rehefa nivavaka izy talohan’ny nialany tao an-trano, dia nanjary mora kokoa taminy ny niresaka tamin’ny olona. Nanohy nitory toy izany izy nandritra ny roa taona farany, ary mahapetraka gazety 200 ka hatramin’ny 300 isam-bolana izy ankehitriny, anisan’izany ireo gazety apetrany amin’ireo lalana fizarana gazety ataony eny amin’ny arabe.
Fitaovana mahery mba hampitomboana ny fankasitrahan’ny olona ny fandaminana ampiasain’i Jehovah, ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Naharay ny gazetin’ny Fikambanana sy zavatra vita an-tsoratra hafa, nandritra ny dimy taona, ny vehivavy iray any Aostralia. Avy eo dia navelan’ny Vavolombelona taminy ilay vidéo mba hojereny, indray andro izay. Rehefa niverina nitsidika ireo mpitory, dia nampandrosoiny. Nijery an’ilay vidéo ilay ramatoa, ary latsa-dranomaso mihitsy. Natoky ny Vavolombelona nitsidika azy izy, kanefa izao dia nahatsapa ho afaka nitoky tamin’ny fandaminana koa. Natomboka tamin’io andro io ny fampianarana azy tamin’ny boky Fahalalana, ary nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, ny herinandro nanaraka.
Iza no angatahan’ny olona torohevitra? Indraindray dia ny mpanoratra an-gazety. Voamariky ny mpisava lalana iray tany Nouvelle-Calédonie, fa voavaly tsara tao amin’ny Mifohaza! iray ny fanontanian’ny olona iray toy izany tamin’ny gazetiboky iray tsy ara-pivavahana. Nanoratra ilay mpisava lalana, ka nandefa ilay taratasy tany amin’ny mpampanonta ilay gazetiboky, izay nasainy handefa ilay izy any amin’ilay nametraka fanontaniana. Nilaza ilay Vavolombelona fa nanana fanazavana sarobidy momba ilay fanontaniana izy, ka nolazainy ilay foto-kevitra, ny sasany tamin’ireo lohatenikely, ary koa ny teny sasany nofantenany tsara tao amin’ilay lahatsoratra, ary dia nanolo-kevitra ny handefa ilay gazety izy. Tsy ela dia tonga ny valin-tenin’ilay olona, ka nalefan’ilay mpisava lalana tany aminy ilay gazety Mifohaza!, ary nanokatra ny lalana ho amin’ny fanomezana fanampiana ara-panahy bebe kokoa izany.
Avy any Afrika sy Eoropa Atsinanana ary Orient ireo olona tojo ny mpitory ao amin’ny faritaniny any Irlandy. Nanao fandaharana ny kôngregasiôna iray tao Belfast mba hanaovana lahateny ampahibemaso iray sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny sinoa mandarin. Nisy olona liana 22 tonga nanatrika izany. Vokatry ny asa tsara nataon’ny mpivady misionera iray teo anivon’ny Sinoa izany, dia Sinoa izay miasa na mianatra any amin’ny oniversite, ao Belfast. Nanomboka tamin’ny 1993, dia nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny olona 75 avy tany amin’ny faritany 17 any Chine sy avy tany amin’ny tanàna samihafa any Taïwan, ireo misionera ireo. Mbola nifandray ihany tamin’ny olona liana maro izay niverina tany Chine, izy ireo. Nankafy ny fianarany ny Baiboly ny mpivady iray, ary avy eo dia voatery niverina tany Chine ilay vehivavy, ka nalahelo satria nihevitra fa tsy ho afaka hanohy ny fianarany ny Baiboly intsony izy tany. Nitantara tamin-kafanam-po anefa ilay rangahy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, fa naharay hafatra avy tamin’ny vadiny izy. Nilaza ilay ramatoa fa tonga nitsidika azy tao an-trano ny Vavolombelona indray mandeha, raha mbola tany am-piasana izy, ka namela taratasy kely nilaza hoe: “Nasain’ireo namanao any Irlandy hitsidika anao izahay. Mbola ho avy indray izahay.” Ary izany tokoa no nataony! Nanoratra toy izao ny mpivady hafa iray avy any Chine: “Tena malahelo be anareo izahay. Maro be aoka izany ny zavatra mendri-kotsaroana, saingy voatery milaza izahay fa ny zava-tsarobidy indrindra taminay dia ny fianarana ny Baiboly niaraka taminareo. Toa ny Baiboly izao no fototry ny fiainanay.”
[Sary, pejy 49]
1) Mozambika, 2) Sénégal, 3) Nouvelle-Calédonie, 4) Bolivia