Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Anisan’ireo fisehoan-javatra miavaka ao anatin’ny taona ireo fivoriambe fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Ilay foto-kevitra hoe “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” no nasongadin’ireo fivoriamben’ny distrika nisesy, nanomboka teo antenatenan’ny taona 1999. Nantitranterina tao amin’ilay fandaharana ny hasarobidin’ny famakiana Baiboly isan’andro, izay nohamafisina tamin’ny alalan’ny fampisehoana tantara iray momba an’i Jakoba sy i Esao. Anisan’ny novelabelarina tamin’ireo lahateny ny famintinana ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny fanazavana tamin’ny an-tsipiriany ny bokin’i Habakoka. Nasongadina fa akaiky ny faran’ity fandehan-javatra tranainy ity. Noresahina tao amin’ilay fandaharana ny asa fanambarana tanterahina ankehitriny, ary ankoatra izany dia nasaina isika hampifantoka ny saintsika amin’ny fahatsinjovana mampientam-po fonosin’ilay fampanantenana mampahery nomen’i Jehovah hoe ‘hanavao ny zavatra rehetra’ izy. — Apok. 21:5.

Faly be ireo mpanatrika naharay ilay boky vaovao hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela! amin’ny fiteny 47. Mbola niampy ny fifalian’ireo mpanatrika tany Korea, eny, dibo-kafaliana tanteraka izy ireo, rehefa naharay ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) amin’ny fiteny koreanina.

Mahazendana fa azo navoaka tamin’ny fiteny serba ny New World Translation of the Christian Greek Scriptures (Ny Soratra Grika Kristianina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao), tany Iogoslavia, na dia nafotaka nandritra ny volana maro aza ny ady. Noho ny fiaraha-miasa akaikin’ny sampana samy hafa, dia navoaka tamin’ny fiteny kroaty sy masedonianina koa tao amin’ireo tany mifanila amin’i Iogoslavia ny Christian Greek Scriptures (Soratra Grika Kristianina). Ranomasom-pifaliana no nandraisana ireo Baiboly ireo.

Nanana antom-pifaliana manokana i Iogoslavia. Niomana hiady io tany io, nandritra ny volana Martsa. Ho tsy azo ianteherana ny fifandraisana an-telefaonina, raha iharan’ny daroka baomba i Belgrade, ka ho sarotra ho an’ny mpandika teny tao Belgrade ny handefa ireo boky voadika ho any amin’ny fanontam-pirinty any Alemaina. Ny talata 23 Martsa, dia azo antoka tokoa fa hanomboka ny fanafihana ana habakabaka, hany ka tapa-kevitra ny hiasa nandritra ny alina ireo rahalahy nanomana ilay zavatra vaovao havoaka amin’ny fivoriamben’ny distrika. Lasa ny ampitson’iny ireo lahatsoratra noraketina tamin’ny alalan’ny ôrdinatera. Ora vitsivitsy taorian’izay, dia nanomboka ny daroka baomba. Na dia voatery hamonjy toeram-pialofana amin’ny daroka baomba aza ilay ekipan’ny mpandika teny, dia faly!

Feno ny fifalian’izy ireo, rehefa naseho ilay Baiboly vita pirinty, efa-bolana taorian’izay, tao amin’ny fivoriamben’ny distrika tao Belgrade, ary noraisina tamim-pifaliana lehibe izy io. Rehefa nahazo ny Baiboliny ny rehetra, dia foana vetivety ilay toerana nanaovana ilay fivoriambe. Namonjy ny trano filasiany ireo rahalahy mba hamaky ilay Baiboly! Niaina teo anivon’ny tontolo iray nanjakan’ny fisaraham-bazana ara-poko sy ara-pivavahana izay niteraka vonoan’olona sy fankahalana mahery vaika mantsy izy ireo, ka niaiky tokoa fa tsy nisy fanomezana tsara kokoa noho iny.

Ny faran’ny herinandro nanaraka, dia natao tany Indonezia ny voalohany tamin’ny fivoriamben’ny distrika valo. Tsara homarihina fa tany lehibe iray any Orient, izay rotidrotiky ny herisetra ifanaovan’ny ankolafiny ara-pivavahana sy ara-politika koa, i Indonezia. Avy tany amin’ny faritra maro tao amin’ilay tany ireo mpanatrika 15 666, izay tonga tao amin’ilay fivoriambe tao Jakarta. Sambany vao natao tao amin’ny toerana nanaovana ny fivoriambe mihitsy ny batisa, ary faly be ny mpanatrika nijery teo amin’ny televiziona lehibe ny batisan’ireo vaovao 430. Nahatratra ny fara tampony anefa ny fientanam-pon’ny rehetra, rehefa nambara fa efa vita pirinty ny New World Translation (Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) manontolo amin’ny fiteny indonezianina, ary nantenaina hozaraina tsy ho ela.

Fikatsahana fomba fiaina araka an’Andriamanitra

Mazava ho azy fa nanomboka tamin’ny Septambra 1998 ny taom-panompoana 1999. Nitohy nandritra ireo volana voalohan’ilay taom-panompoana ny fanaovana ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”. Maro no efa natao tany Etazonia sy Eoropa. Nanomboka tamin’ny Septambra ka hatramin’ny Janoary anefa, dia nisy fivoriambe iraisam-pirenena 13 fanampiny natao tany Afrika sy Amerika Latina sy Aostralia ary Azia.

Natao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 20 Septambra 1998 tao São Paulo, any Brezila, ny voalohany tamin’ireny fivoriambe tamin’ny taom-panompoana 1999 ireny. Nisy fivoriambe niara-natao tamin’izy io koa tany amin’ny toerana 16 hafa, anisan’izany ny tao amin’ny Kianjan’i Maracanã goavam-be, ao Rio de Janeiro. Nisy solontena an’arivony maro avy tany amin’ny tany 15 koa nanatrika tany, anisan’izany ny misionera 54, ka ny 23 dia misionera avy tany Brezila manompo any Mozambika. Ny alahady, rehefa nambara ilay fanapahan-kevitra holanina hoe ny lalan’Andriamanitra no fomba fiaina tsara indrindra, dia nahazendana fa nisy 516 333 ny tontalin’ny mpanatrika tao amin’ireo toerana 17 ireo, izay nandany ilay fanapahan-kevitra tamin’ny firedonana hoe Sim (Eny)!

Tamin’io faran’ny herinandro io ihany, dia nisy mpanatrika 63 886 nameno ny Kianja Olympika ao Séoul, any Korea. Vavolombelona koreanina an-jatony maro, anisan’izany ny anabavy maro nanao akanjo nareva-doko nentim-paharazana, no tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina mba hitsena solontena niisa 3 046 avy tany ampitan-dranomasina, nandritra ny andro vitsivitsy talohan’ilay fivoriambe. Taorian’ny lahateny famaranana, rehefa namonjy ny aotobisiny ireo solontena vahiny, dia mpanatrika an’arivony maro no nitandahatra nahaforona ilay nantsoin’ny sasany hoe lalantsaran’ny fitiavana. Rehefa nandeha teo anivon’izy io ireo solontena, ireo Vavolombelona koreanina dia niantsoantso tamin’ireo mpitsidika ireo hoe “Any amin’ny Paradisa indray no mihaona e!”, sy hoe “Tianay ianareo!” Maro no nandrotsaka ranomasom-pifaliana.

Mbola tsy maina akory ny ranomason’ireo mpanatrika tao Séoul rehefa namely an’i Porto Rico ny Rivo-doza Georges. Tokony hatomboka tao Porto Rico ny zoma taorian’izay ny fivoriambe iraisam-pirenena nanaraka. Ho azo atao ve ilay izy? Vokatr’ilay rivo-doza, dia nampoizina fa ho tapaka ny jiro tao amin’ilay nosy manontolo, nandritra ny herinandro maro. Tapaka ny rano; nakatona ny seranam-piaramanidina San Juan; tra-doza ny tranon’ireo rahalahy teo an-toerana izay nokasaina handraisana solontena an-jatony maro avy tany ampitan-dranomasina. Vokatr’ilay rivo-doza, dia ny iray monja tamin’ireo toerana efatra nokasaina hanaovana fivoriambe no azo nampiasaina, dia ny Kianja Hiram Bithorn. Mahagaga anefa fa voavaha tsirairay ireo olana. Nahatratra tampon’isa 15 065 ny mpanatrika tao amin’ilay fivoriambe!

Iray volana mahery taorian’izay, ny 30 Oktobra ka hatramin’ny 1 Novambra, dia fivoriambe iraisam-pirenena telo no natao tany Aostralia (tao Brisbane sy Melbourne ary Sydney). Nanatrika ireo fivoriambe ireo i John Barr, i Milton Henschel, i Lloyd Barry, ary i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Efa nanompo tany Aostralia ireto roa lahy farany. Maro koa ny misionera be zotom-po avy tao Aostralia tonga nanatrika tao.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hafa koa natao tany Afrika, tamin’ny faramparan’ny taona 1998. Faly ireo rahalahy avy tany amin’ny firenena 16 fa anisan’ireo mpanatrika 24 502 tafavory tao amin’ny Foibem-panatanjahan-tena Iraisam-pirenena Moi, tao Nairobi, any Kenya, tamin’ny Desambra.

Ny herinandro nanaraka, dia fivoriambe iraisam-pirenena efatra no natao tany Afrika Atsimo (tao Durban, Johannesburg, Le Cap, ary Pretoria), ka nisy 83 858 ny tontalin’ny mpanatrika, ary 1 626 no natao batisa. Nisy fivoriamben’ny distrika 18 natao, taorian’ireo fivoriambe iraisam-pirenena ireo. Nisy 53 901 ny mpanatrika tamin’ireo fivoriamben’ny distrika, ary 1 065 fanampiny no natao batisa. Navoaka tamin’ny fiteny tsonga ny New World Translation manontolo, tamin’ity indray mitoraka ity. Ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina nasehon’ireo mpanatrika rehetra ireo, dia porofo azo notsapain-tanana fa izy ireo tokoa no mifanaraka amin’izao filazalazan’i Jesosy izao: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

Tamin’io faran’ny herinandro io ihany, tamin’ny faran’ny Desambra, dia nisy fivoriamben’ny distrika natao tao Abidjan, any Côte d’Ivoire, any Afrika Andrefana. Natao tamin’ny fiteny frantsay sy anglisy ary twi ilay fandaharana. Misy 6 000 eo ho eo monja ny mpitory ao amin’io tany io, ary angamba 500 no tonga avy tany ivelany, kanefa nahazendana fa nahatratra 16 009 ny mpanatrika, izay naniry hianatra momba ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra!

Farany, ho famaranana ireo fivoriambe iraisam-pirenena 32 naneran-tany, dia faly be ireo mpitory maherin’ny 19 000 tany Costa Rica fa nisy 34 431 tafavory tany, nandritra ireo telo andro voalohan’ny taona 1999. Vavolombelona teo an-toerana 4 000 teo ho eo no tonga tany amin’ny seranam-piaramanidina mba hitsena solontena tonga tamin’ny zotram-piaramanidina iraisam-pirenena niisa 42. Nitandahatra nahaforona laharana roa izy ireo, ka nitehaka sy niarahaba an’ireo solontena vao tonga, tamin’ny filazana hoe “Bienvenidos, hermanos!” (Tonga soa, ry rahalahy!). Voatosika hangataka fampianarana Baiboly mihitsy aza ny mpivarotra iray tao amin’ilay seranana, rehefa nahita ny firaiketam-po nasehon’ireo rahalahy!

Nisy vokany tsara tamin’ny olona maro tsy Vavolombelona, izay nandinika ny fitiavana nifanehoan’ireo mpanatrika, ireo fivoriambe iraisam-pirenena. Nanamafy ny fatorana mampiray ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny firenena rehetra koa izy ireny. Izany dia porofo hita maso ny amin’ny hoe eo am-panangonana ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’ tokoa i Jehovah, dia olona mitodika any aminy sy i Jesosy Kristy Zanany mba hahazoana famonjena, ka hotsimbinina ho ao amin’ny tontolo vaovaony hanjakan’ny fahitsiana. — Apok. 7:9, 10.

Fitiavana “amin’ny asa sy amin’ny marina”

Tsy aseho amin’ny tsiky sy ny fiarahabana any amin’ny Efitrano Fanjakana fotsiny, na amin’ny fampiantranoana an’ireo solontena avy any an-tany hafa tonga hanatrika fivoriambe fotsiny, ny fifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah tsara ireto teny voasoratra ao amin’ny 1 Jaona 3:17, 18 ireto, amin’ny maha mpianatra ny Baiboly azy: “Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aoka (...) ho tia (...) amin’ny asa sy amin’ny marina [isika].” Nahatonga mpanompon’i Jehovah maro hila fanampiana, ny rivo-doza sy ny hain-tany ary ny ady an-trano, nandritra ny taon-dasa. Ahoana no nasetrin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany izany?

Tamin’ny Septambra 1998, dia nitondra fandravana tao amin’ny Fanjakan’i Chiapas, any Meksika, ny tondra-drano. Herinandro vitsivitsy taorian’izay, dia nifofofofo namely an’i Saint-Christophe, i Niévès, i Porto Rico, ny Repoblika Dominikanina, sy i Haïti ny Rivo-doza Georges, ary avy eo dia namely ny tapany atsimo amin’i Etazonia. Iray volana teo ho eo taorian’izay, dia namely mafy an’i Honduras ny Rivo-doza Mitch, izay nahatratra 290 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany, ary avy eo nahatonga tondra-drano tany amin’ny faritra maro tany Nikaragoay, ary nandrava faritra iray avy any Salvador ka hatrany Goatemalà, mandra-pahalefiny tany Meksika. Efitrano Fanjakana 50 sy Efitrano Fivoriambe 2 ary tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 1 800, no nirodana, na simba be. Fongana ny voly. Potika ny fananana. Tany amin’ny toerana sasany, dia voatery nifindra toerana ny kôngregasiôna manontolo.

Nila sakafo sy rano sy fitafiana ary fanafody be dia be ireo tra-boina. Nanao zavatra haingana ireo Vavolombelona tany amin’ny faritra tsy tra-doza. Tany amin’ny toerana sasany, raha vantany vao reny ilay fahavoazana, dia nanomboka nankany amin’ny biraon’ny sampana izy ireo, nitondra sakafo sy fitafiana ary vola hoentina hanampiana ireo rahalahiny kristianina. Nampiasa lakana sy bisikileta ary nibaby entana ireo rahalahy, tany amin’ny toerana tsy nahafahany nandeha fiarakodia na kamiao nankany amin’ireo toerana tra-doza, mba hitondrana fanampiana vonjy rano vaky. Nanao izay azony natao ireo loholona teo an-toerana mba hanampiana tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny tafon-tranon’ireo rahalahy. Nanolotra ny fanampiany ireo dokotera Vavolombelona.

Nandrindra ny fanomezana fanampiana ara-bola, ary koa ny fandefasana sakafo sy fitafiana ary fitaovam-panorenana nilaina maika dia maika avy tao amin’ireo firenena teny akaiky, ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalefa tamin’ny fiaramanidina nohofana sy ny sambo ary ny kamiao ireo entana. Namerimberina naneho ny fankasitrahany lalina noho ny fitiavana nasehon’ireo rahalahiny maneran-tany, ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ny faritra tra-doza.

Nasaina hanampy tamin’ny fanadiovana sy ny fanamboarana trano simba ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, izay natao hanampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nisy andiany fito ireo mpiasa an-tsitrapo avy tany Etazonia, ka mpiasa 30 teo ho eo no tao amin’ny andiany tsirairay, ary nianto-tena izy ireo mba hanamboatra ny trano simban’ireo Vavolombelona namany tany Saint-Christophe sy Niévès, nandritra ny herinandro. Nisy mpiasa an-tsitrapo 600 hafa nandeha fiaramanidina nankany Porto Rico, mba hanampy tamin’ny fanamboarana ny simba sy ny fanorenana indray izay rava. Ny fanampiana ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy no tena nifantohany indrindra, mifanaraka amin’ilay toro lalana ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Galatiana 6:10. Nanamboatra ny tafon’ny sekoly iray koa anefa izy ireo, ary nanamboatra ny trano simban’ny zokiolona sasany mpiara-monina tamin’ny Vavolombelona, izay tsy nanan-janaka hanampy azy. Tany amin’ny Repoblika Dominikanina, dia nanadio ny faritra manodidina ny hopitaly iray ny Vavolombelona teo an-toerana.

Tany Porto Rico, dia nisy rahalahy maromaro nankany amin’ny tanànan’i Yabucoa, any an-tendrombohitra, mba hanampy tamin’ny fanorenana indray ny trano ravan’ny anabavy iray sy ny vadiny tsy Vavolombelona. Nihomehezan’ny mpiara-monina taminy ilay anabavy, rehefa nilaza fa fantany fa ho avy hanampy ireo anadahiny kristianina. Rehefa tonga ireo rahalahy, dia dibo-kafaliana ilay anabavy. Nisy mpitazana 200 teo ho eo nivorivory terỳ ampitan’ny arabe, tao anatin’ny ora vitsivitsy. Nitazana ireo rahalahy niasa izy ireo, ny tontolo andron’iny. Rehefa avy nametaka ny varavarana anoloana ireo rahalahy, dia nanolotra fehezam-boninkazo iray ho an’ilay anabavintsika, ary koa ny fanalahidin’ilay tranony voaorina indray. Rehefa narehitra ny jiro, dia nitehaka ireo mpiara-monina taminy. Noho izay hitan’izy ireo tamin’iny andro iny, dia maro tamin’izay nipetraka teo amin’io arabe io ka nandositra ny Vavolombelona teo aloha, no vonon-kihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ankehitriny.

Tetsy an-danin’izany, dia nitondra loza koa ny tondra-drano lehibe tany Eoropa, tany amin’ny faritra andrefan’i Ukraine, tamin’ny volana Novambra, sy ny horohoron-tany iray tany Kolombia, any Amerika Atsimo, tamin’ny volana Janoary. Ary mbola nanolotra fanampiana tamim-pitiavana ihany ny vahoakan’i Jehovah.

Rehefa nafotaka indray ny ady an-trano tany Angola nandritra ny taona 1999, dia nanjary nisy mpitsoa-ponenana maherin’ny 1 700 000 tany. Niasa tamim-pahazotoana ireo rahalahy mba hanampy ny Vavolombelona nanjary mpitsoa-ponenana, mbamin’ny maro hafa koa, mba hahazoan’izy ireo izay tena nilaina teo amin’ny fiainana. Nozaraina tamin’ireo rahalahy voatery nandao ny tranony sy ny tanànany ny sakafo sy fitafiana 34 taonina, izay nalefan’ny sampan’i Afrika Atsimo sy i Italia ary i Portogaly. Azo natao mihitsy aza ny nandefa ny sasany tamin’ireo entana ireo tany amin’ny faritra nisy ady, izay nodarohana baomba nandritra ny volana maro.

Rehefa nanomboka ny taom-panompoana, dia nampahafantatra ny Fitambara-mpitantana ny sampan’i Congo (Kinshasa), fa nila fanampiana vonjy rano vaky ho an’ny olona maherin’ny 200 000 izy ireo, taorian’ilay ady an-trano. Natao avy hatrany ny fandaharana mba hahafahan’ny sampan’i Grande-Bretagne, i Belzika, i Frantsa, i Soisa, sy i Afrika Atsimo handefa sakafo sy hanome vola hividianana vatsy fanampiny tao amin’ny tany hafa tany Afrika. Vatsy fanampiana maherin’ny 75 taonina avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa no voangona sy nalefa fiaramanidina.

Tsy vita anefa ny ady tany Congo, fa nisy hafa indray nipoaka. Tamin’ny 7 Febroary 1999, dia novakina tamin’ny fianakavian’ny Betela ao amin’ny foibe maneran-tany, any New York, izao fampandrenesana manaraka izao, momba ny toe-draharaha tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo: “Noho ny ady an-trano, dia miankina amin’ny fanampiana alefa any aminy ireo mpitory 30 000 any amin’ny faritra atsinanana amin’io tany io. Tsy afaka mifandray amin’ireo rahalahy ireo ny biraon’ny sampana ao Kinshasa, noho ilay ady. Neken’ny Fitambara-mpitantana anefa ny handefasan’i Belzika fanampiana amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Alefa amin’ity herinandro ity ny fanampiana voalohany, ary hanomboka amin’ny 20 Febroary ny faharoa. Hisy ekipana mpitsabo hampiarahina amin’ilay faharoa.” Niara-niasa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny ekipan’ny fanampiana vonjy rano vaky ofisialy 11 tany Congo Atsinanana, ireo rahalahy avy tany Eoropa.

Voatery nandositra nankany amin’ny firenena teny akaiky ny mpitsoa-ponenana sasany. An’arivony maro no nankany Zambia. Nitondra fanampiana be dia be ireo masoivoho mpitondra fanampiana vonjy rano vaky tao Zambia, ary mbola nampian’ny Vavolombelona bodofotsy sy fitafiana ary fitaovana fandrahoan-tsakafo sy fitaovam-pambolena, izany. Safotra ny rahalahy be taona iray rehefa nahazo bodofotsy. Mbola tsy nahazo bodofotsy vaovao ho azy manokana mihitsy izy hatramin’izay. Tojo rahalahy kilemaina iray teo ambany hazo ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray nankany Zambia. Nampiakarin’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany teo ambonin’ny bisikiletany ilay rahalahy, ary natosiny ilay bisikileta. Rehefa nideza loatra ny fiakarana, dia nidina ilay rahalahy kilemaina, nofatorany tapa-pne ny lohaliny sy ny tanany, ary dia niezaka mafy izy nandady, mandra-pahatongan’izy ireo teny an-tampom-piakarana. Tonga soa aman-tsara tao Kaputa, any Zambia, izy ireo, rehefa ela ny ela. Nanome zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny swahili ho an’ny mpitsoa-ponenana rehetra ny sampana tao, mba hampiasain’izy ireo ao amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna. Tamin’ny volana Aprily, dia niara-nivory tamin’ny olona maherin’ny 2 000 anisan’ireo mpitsoa-ponenana ireo ny rahalahy avy tao amin’ny biraon’ny sampana, ka nanome fampaherezana ara-panahy tamim-pitiavana. Ary nihira tamin’ny fony rehetra ireo mpitsoa-ponenana, na ny lehibe na ny kely, na dia tsy nanana fihirana aza ny ankamaroany, ka niredona ireo hira hoe “Jehovah, Mpanome famonjena”, “Fialofantsika i Jehovah”, “Misaotra, Jehovah ô!”, ary hoe “Ny fampanantenan’Andriamanitra paradisa”.

Zotom-po eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara

Mbola mendri-komarihina kokoa anefa ny fitiavana asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Miezaka hitondra ny vaovao tsara any amin’ny olona rehetra araka izay azo atao izy ireo, ho fanarahana ny toromarika nomen’i Jesosy Kristy. (Marka 13:10). Amin’ny fanaovana izany, dia manome an-tsitrapo ny fotoanany sy ny fananany izy ireo. Nandritra ny taon-dasa, dia nisy tampon’isan’ny mpitory 5 912 492 nandray anjara tamin’io asa io, ary nanokana 1 144 566 849 ora tamin’io fanompoana io izy ireo. Vavolombelona maro no nandamina ny raharahany mba hahafahany ho mpisava lalana maharitra na mpisava lalana mpanampy.

Samy manana ny fiainany ireo mpisava lalana ireo. An’arivony maro no tanora nahavita ny fianarany tany an-tsekoly na nandamina ny fandaharam-potoana amin’ny fianarany mba hahafahany ho tonga mpisava lalana no sady hianatra. Ny hafa kosa vehivavy mpikarakara tokantrano; ny sasany lehilahy mamelona ny ankohonany. Afaka ny ho mpisava lalana ny loholona kristianina iray izay loham-pianakaviana any Sainte-Lucie, satria mitandrina izy mba ‘hihazona maso tsotra’. (Matio 6:19-22, NW ). Rehefa notolorana fahafahana hahazo karama ambony izy, vao haingana izay, dia nolaviny ilay izy, satria ho voatery handany fotoana bebe kokoa amin’ny asany izy, tsy hahavonjy fivoriana kristianina, hisaraka amin’ny fianakaviany mandritra ny enim-bolana, ary hiala amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Nifidy ny hikatsaka aloha ilay Fanjakana izy, satria natoky fa hanohy hitahy ny fiezahany hamelona ny ankohonany, i Jehovah.

Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy indray mandeha na indroa isan-taona efa hatramin’ny ela be, ny anabavy 95 taona iray any Antigua, araka ny fitadidiany. Nohazavainy ny antony anohizany manao izany ezaka izany, ka hoy izy: “Nomen’i Jehovah hery sy tanjaka fanampiny aho, ka heveriko ho fahafahana haneho ny fitiavako azy izany.”

Nanapa-kevitra ny hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy ny anabavy iray 65 taona any Danemark. Fa nahoana? Hoy ny fanazavany: “Heveriko fa nanosika ahy hanao izany ny famakiako ny Baiboly. (...) Miaiky aho fa mety hitaona anao hanao ny ratsy, ohatra, ny fijerena televiziona, ary torak’izany koa fa mety hitaona anao hanao ny tsara ny famakiana ny Tenin’i Jehovah isan’andro. Izany no nanome ahy antony manosika mafy [ho mpisava lalana].”

Tsapan’ny olona hatraiza hatraiza fa mihasarotra ny manome fahafaham-po araka ny antonony ny zavatra ilainy ara-nofo, ka nanao fanitsiana ny Fitambara-mpitantana tamin’ny Janoary 1999, raha ny amin’ny ora takina amin’ny mpisava lalana maharitra (nahena ho 70 ora ny 90 ora isam-bolana), sy amin’ny mpisava lalana mpanampy (nahena ho 50 ora ny 60 ora). Fitahiana re izany! Nahatonga mpisava lalana maro ho afaka hijanona teo amin’ilay laharana izany, ary an’arivony maro hafa no nirotsaka ho mpisava lalana. Ho an’ny maro, dia porofo fanampiny izany fa “tsara fanahy ny Tompo”. — 1 Pet. 2:3, NW.

Nandritra ireo volana vitsivitsy taorian’ilay fanitsiana, dia nahita fitomboana maherin’ny 400 isan-jato teo amin’ny isan’ireo nirotsaka ho mpisava lalana maharitra, ny sampan’i Aostralia. Nahita fitomboana efa ho 300 isan-jato i Kolombia. Niakatra isam-bolana ny isan’ny mpisava lalana tany Ukraine, ary asehon’ny tatitra fa nanan-tombo 42 isan-jato ny isan’ny mpisava lalana, raha oharina amin’ny tamin’ny taona lasa. Tany Mikronezia, dia nahazo mpisava lalana maherin’ny iray fanampiny, tamin’ny antsalany, ny kôngregasiôna tsirairay. Sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ireo rahalahy any Liberia, izay mivelona isan’andro avy amin’izay kely azony amin’ny varotra madinika ataony. Na izany aza, dia nahitana tampon’isan’ny mpisava lalana maharitra imbalo nisesy tany, taorian’ilay fanitsiana ny ora takina.

Nitombo be koa ny isan’ny nanatevin-daharana ny mpisava lalana mpanampy. Tany Aotrisy, nandritra ireo telo volana voalohan’ny taona 1999, dia nanan-tombo 56 isan-jato izy ireo, raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Nandritra izany fotoana izany ihany, dia nanao tatitra mpisava lalana mpanampy 103 isan-jato fanampiny i Malezia. Nahita fitomboana 91 isan-jato i Danemark, nandritra ireo enim-bolana voalohan’ny taona 1999. Any Korea, dia ny volana Janoary no mety tsara hanaovana fanompoana fanampiny, ka 57 isan-jato no mpisava lalana tany, tamin’ny Janoary.

Etsy an-danin’izany, dia mbola mitondra vokany tsara ilay fandaharana hoe “Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana”. Hoy ny anabavy iray ao amin’ny Kôngregasiônan’i Filipino ao Anchorage, any Alaska: “Iraika ambin’ny folo taona izay no naha tao amin’ny fahamarinana ahy. Fahazarana fotsiny ny nanompoako teny amin’ny saha, satria tsy mba nanan-java-kendrena aho rehefa nandeha nanompo.” Rehefa avy niara-niasa tamin’ny mpisava lalana iray teo an-toerana nandritra ny fotoana kelikely anefa izy, dia nanjary nihevitra ny fanompoana eny amin’ny saha ho misy heviny kokoa. Nanjary takany fa ilaina maika ilay asa. Nihananeho fiheverana ny olona izy, ary afaka nanomboka fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano. Tany Afrika Atsimo, ny anabavy mpisava lalana iray dia nanampy mpitory hafa iray hahita fahafaham-po bebe kokoa amin’ny firesahana amin’ny mpandalo, fa tsy hiandry fotsiny ny hamalian’ny olona eo amin’ny telefaonina eo am-bavahady. Naka toerana hipetrahana koa izy ireo mba hiaraha-midinika momba ny zava-kendrena maro samihafa eo amin’ny fanompoana. Rehefa tapitra ny enim-bolana tao amin’ilay fandaharana, dia tonga mpisava lalana maharitra io mpitory io. Mahita fifaliana bebe kokoa mbola tsy nisy toy izany eo amin’ny fanompoana izy ankehitriny, miaraka amin’ilay nanampy azy.

Fahamarinana ara-baiboly atao pirinty

Efa hatramin’ny andron’i Mosesy no nanomezan’i Jehovah fampianarana ara-panahy natao an-tsoratra. Nohamafisina foana tamin’ny fampianarana am-bava izany. Anisan’ny nandray anjara lehibe teo amin’ny fampielezana ny vaovao tsara anefa ny zavatra vita pirinty. Natonta be dia be ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra manazava azy io. Tamin’ny taon-dasa fotsiny, dia gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! 1 026 706 628 no natao pirinty; boky 41 579 805 sy bokikely 71 221 759 mbamin’ny taratasy mivalona maro be no novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao tamin’ny fiteny 332 izany.

Olona any amin’ny toerana maro no nandray soa avy tamin’izany. Misy mponina 9 403 monja any Tuvalu, izay nosinakorandriaka. Atao pirinty amin’ny fitenin’izy ireo anefa Ny Tilikambo Fiambenana, ary olona 45 no manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah any ankehitriny. Na dia lavitra ny tontolo be taozava-baventy aza ny République centrafricaine, dia miely be any Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! — amin’ny fiteny anglisy, arabo, frantsay, lingala, sango, ary zande. Misy Vavolombelona 2 305 ao amin’io tany io, ary maherin’ny avo dimy heny noho io isa io no tonga nanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny taon-dasa. Rotidrotiky ny ady an-trano i Angola ary olona maro no mahantra, kanefa nanomboka nivoaka isam-bolana tamin’ny fiteny umbundu Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny taon-dasa, mba hitondra soa ho an’ny fizaran-tany roan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola sy ny olona maro ampian’izy ireo amin’ny lafiny ara-panahy. Gazety maherin’ny 26 tapitrisa no voapetraka tany Ukraine tamin’ny taon-dasa. Nitady an’ilay Andriamanitra marina nandritra ny 20 taona ny lehilahy iray. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana, rehefa avy namaky nomeraon’ny Mifohaza! iray monja. Faly be ireo mpitory 107 045 tany Ukraine nahita olona 12 320 natao batisa, nandritra ilay taona.

Tany Kolombia, dia natolotra ny vehivavy iray ketraka mafy ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? Tsy liana tamin’ny fivavahana mihitsy izy teo aloha, saingy maty tamin’ny horohoron-tany iray ny zanany lahy, ka tena nahaliana azy ilay foto-kevitra. Nitarika ho amin’ny fianarana ny Baiboly izany. Tany Litoania, dia notoloran’ny Vavolombelona iray ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ny vehivavy iray. Tena nila tamim-pamoizam-po ny fanampiana tsy azon’iza na iza omena afa-tsy Andriamanitra ihany, ilay ramatoa. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy, ary nandroso haingana ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Eny, ankasitrahan’ny olona maro ireo zavatra vita an-tsoratra, ary fitaovana sarobidy amin’ny fampahafantarana ny vaovao tsara.

Ampianarin’i Jehovah

Amin’ny fomba maro samihafa no anohizan’i Jehovah mampianatra ny mpanompony, mba hanomanana azy ireo ho amin’ny asa ataon’izy ireo ankehitriny, sy amin’ny hoavy. (Isaia 54:13). Ankoatra izany, dia asaina manokana koa ny olona any amin’ny tany maherin’ny 230, mba handray soa avy amin’ny fandaharam-pampianarana mahatalanjona atolotr’i Jehovah. Olona an-tapitrisany maro izay ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ no namaly izany fanasana izany, ka fampianarana ny Baiboly 4 433 884 isam-bolana, tamin’ny antsalany, no notarihina maimaim-poana tamin’ireny olona ireny, tamin’ny taon-dasa. (Asa. 13:48, NW ). Nahazo fitahiana be dia be tokoa izy ireny, rehefa nohazavaina taminy ny Soratra Masina, ka tena azony tsara ny heviny!

Anisan’ny fampianarana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany koa ny fampiofanana manokana maro samihafa. Tamin’ny taon-dasa koa, dia mpisava lalana maharitra an’arivony maro no nandray soa avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, rehefa avy nahatapitra ny taona voalohany tao amin’io fanompoana io. Nandritra ilay taom-panompoana, dia sampana 40 koa no nanaovana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Rahalahy nahafeno fepetra avy tany amin’ireo tanin’i Amerika sy avy tany Azia, Eoropa, Afrika, ary ireo nosin-dranomasina — tany 89 tamin’ny fitambarany — no nanatrika ilay sekoly. Nisy rahalahy 2 174 nanaraka io fianarana manokana io. Nisy rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana any amin’ny tany 43 nasaina ho any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower ao Patterson, any New York, mba hanaraka fandaharam-piofanana manokana, nandritra ny roa volana. Ireo mpianatra nanatrika ny Sekolin’i Gileada kosa, izay nianatra ny Baiboly manontolo, nandritra ny dimy volana, dia nahazo fanendrena ho mpitory sy mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra any amin’ny tany 31.

Ankoatra izany, dia nisy sekoly vaovao ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany natomboka tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower. Nisoratra anarana tamin’ny volana May ny kilasy voalohany, nisy mpianatra 48, izay nianatra nandritra ny roa volana. Mpiandraikitra ny fizaran-tany sy mpiandraikitra ny distrika avy tany Etazonia sy Kanada ireo nanatrika ilay sekoly. Nozaraina ho fianarana tao an-dakilasy sy asa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ny fampiofanana noraisin’izy ireo. Nasiana fiheverana ny lafiny tsirairay amin’ny asan’izy ireo, ary hitondra soa be dia be ho an’ireo rahalahy sy anabavy an’arivony maro any amin’ireo kôngregasiôna sy fizaran-tany hotsidihiny izany. Ireo vadin’ny mpiandraikitra mpitety faritany niaraka tamin’ny vadiny kosa, dia nizara ny fotoanany tao Patterson, tamin’ny nanaovany asa tao amin’ny Betela sy tamin’ny nanompoany teny amin’ny saha niaraka tamin’ireo kôngregasiôna teny amin’ny manodidina. Nanatrika lahateny ho an’ireo mpianatra koa izy ireo isan-kerinandro, dia lahateny nitondra soa be dia be ho azy ireo sy ho an’ireo rahalahy.

“Hanjary ho fanambarana izany”

Nambaran’i Jesosy mialoha fa “ho entina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka” ireo mpanara-dia azy. Ny nitrangan’izany naneran-tany, nandritra ny taonjato faha-20, dia porofo fanampiny ny amin’ny hoe miaina amin’ny andro farany isika. Nahoana no mitranga izany? Tsy hoe satria mandika lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifanohitra amin’izany kosa fa ‘noho ny anaran’i Jesosy Kristy’ no mahatonga izany — noho izy ireo manaiky an’i Kristy ho Mpanjaka any an-danitra, sy noho izy ireo “tsy naman’izao tontolo izao”, toa an’i Jesosy. Nambaran’i Jesosy mialoha koa fa “hanjary ho fanambarana” izany. (Lioka 21:12, 13, NW; Matio 24:9; Jaona 17:16). Hita fa marina tokoa izany, nandritra ny taom-panompoana lasa. Nahazo fanambarana ireo manam-pahefana any amin’ny tany maro, rehefa natao ny ezaka mafy mba hiarovana ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanolotra fanompoam-pivavahana tsy misy fanakantsakanana.

Tamin’ny 1998, dia nikarakara ny raharaha ara-pitsarana iray nahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah tany Boligaria, ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Inona no nahatonga izany? Nesorin’ny fitondram-panjakana boligara ny fanekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, ary koa ny antokom-pivavahana hafa 20 teo ho eo. Tsy nekena ny hampiakaran’izy ireo ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Boligaria, satria tsy mino ny Andriamanitra telo izay iray sy ny foto-pampianarana tsy ara-baiboly hafa inoan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, ankoatra ny zavatra hafa. Fisamborana sy fandravana fivoriana ara-pivavahana ary fakana an-keriny zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana, no vokatr’izany. Nampirisika an’i Boligaria hifandamina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay Fitsarana Eoropeanina. Ho vokany, dia neken’i Boligaria ho ara-dalàna indray ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Oktobra 1998. Azo natao àry ny nandefa misionera efatra avy tao amin’ny kilasy faha-106-n’i Gileada nankany Boligaria, mba hanampy ny mpitory eo an-toerana hizara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona any.

Niteraka fanambarana be dia be koa ny olana ara-pitsarana nahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa. Nalam-baraka teo anatrehan’ny vahoaka ny Vavolombelona. Nambosy ny fampahalalam-baovao hanao tatitra ratsy momba azy, ireo fikambanana mpanohitra sekta. Tamin’ny 1996, dia nokilasin’ny tatitra iray nataon’ny parlemanta ho ‘sekta mampidi-doza’ ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tamin’ny Janoary 1999, dia notakin’ny fitondram-panjakana ny handoavany hetra 60 isan-jato tamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra voarainy, na dia tsy nampiharana fitakiana toy izany aza ny fivavahana hafa. Ezaka manokana nandritra ny telo andro natao hampahafantarana ny zava-misy, no nasetrin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, nanomboka ny 29 Janoary 1999, ka nizarany taratasy mivalona 12 tapitrisa mitondra ny lohateny hoe Ry Mponin’i Frantsa, Voafitaka Ianareo!

Ny andro voalohan’ilay ezaka manokana, dia nisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao mba hanazavana momba ilay ezaka. Nisy televiziona sy radio nampita ilay fanazavana, tamin’ny mitataovovonana. Gazetim-pirenena sy gazetim-paritra maherin’ny 60 no nanao tatitra ilay ezaka manokana, ka nitondra ny matoan-dahatsoratra hoe “Ataon’i Jehovah ho Vavolombelona i Frantsa”, sy hoe “Famosahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ‘Marina’ ”.

Ny andro voalohany, dia mpitory an’aliny maro no nizara ilay taratasy mivalona teny ivelan’ny garan-damasinina, orinasa, birao, fivarotana, tsena, sy toeran-kafa. Vitsy ny olona tsy nety nandray azy io.

Nohatonin’ny mpiambina iray ny rahalahy iray nitory teny akaikin’ny fonja iray. Hoy ilay mpiambina, rehefa notolorany taratasy mivalona iray: “Mila maro kokoa aho, satria maro ny ao am-ponja ao.” Ohatra hafa iray: Nisy zokiolona maromaro nitaingina aotobisy, teny an-dalana hody ho any amin’ny trano fikarakarana olona efa misotro ronono. Nilaza izy ireo fa diso fanantenana satria tsy nahazo ilay taratasy mivalona. Nasain’ilay mpamily nanangan-tanana izay naniry hahazo azy io, ka nentiny teo amin’ny toerana iray nahitany Vavolombelona izy ireo, ary nangataka taratasy mivalona araka ilay isa nilaina izy.

Tetsy an-danin’izany, tao amin’ny tsena iray tao amin’ny tanànan’i Grenoble, dia niteny ratsy an’ilay Vavolombelona nanome azy taratasy mivalona ny vehivavy iray. Nitoetra ho tony ilay rahalahintsika. Ireo mpivarotra sy mpividy voasariky ny tabataban’ilay ramatoa anefa, dia nihiaka tampoka hoe: “Ho ela velona anie i Jehovah!” Tamin’izay dia lasa ilay mpanohitra.

Inona no vokany tamin’ny ankapobeny? Nentanin’iny ezaka manokana iny ireo kôngregasiôna nanerana an’i Frantsa. Mpitory an-jatony maro izay tsy nitory intsony no nahatsiaro ho voatosiky ny fony handray anjara tamin’ilay ezaka manokana. Nilaza ireo mpitory nanerana an’i Frantsa fa afa-po tokoa izy ireo, satria afaka niaro ny finoany tamin’iny fomba iny. Naharay antso an-telefaonina sy taratasy maro avy tamin’ny sarambaben’ny olona ny biraon’ny sampana. Tao ny nilaza ny tsy fileferany, fa maro kosa no nilaza ny fanohanany antsika. Nandritra ilay faran’ny herinandro, dia nangataka ny hotsidihina ny olona, ary fampianarana Baiboly maro no natomboka.

Ary ahoana ny amin’ilay hetra notakin’ny fitondram-panjakana? Ho setrin’ilay fitakiana, dia naharay antontan-taratasy ara-dalàna be dia be momba ny Vavolombelon’i Jehovah ireo manam-pahefana ambony, ka tena fanambarana tokoa izany! Nampiakarina fitsarana ilay raharaha momba ny hetra, ary hotoherina foana mandra-pahatongany any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, raha ilaina izany.

Nandritra ny taona maro, dia nanakantsakana ny fitoriana ny vaovao tsara ny Tanànan’i Oradell, any New Jersey, any Etazonia. Nanapa-kevitra ilay tanàna hoe tsy mahazo mitory ampahibemaso ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy mahazo fanomezan-dalana sy mitondra karatra famantarana aloha. Very maina ny fiezahana imbetsaka nampiaiky ny ben’ny tanàna sy ny filan-kevitry ny tanàna hoe tsy araka ny lalàm-panorenana ireo fitakiana ireo. Farany, mba hanoherana ilay lalàna teo an-toerana, dia notorina tany amin’ny Fitsaran’ny Distrika Federaly Amerikanina ao amin’ny Distrikan’i New Jersey ilay tanàna. Izany no fitoriana ara-pitsarana voalohany natao tao anatin’ny 50 taona farany, mba hanamafisana ny zontsika handray anjara amin’ny fitoriana ampahibemaso, tany Etazonia. Tao amin’ilay fitarainantsika tany amin’ny fitsarana, dia nifanentana tamin’ny toe-javatra ny nanazavana ny asantsika sy ny fototra iorenan’izy io araka ny Soratra Masina; koa nanome fanambarana tsara dia tsara izany.

Tamin’ny 8 Martsa 1999, dia nihaona tamin’ny solontenan’ny Sampan-draharahantsika Momba ny Lalàna sy ny Tanànan’i Oradell, ny Mpitsara Distrika Federaly, ka nandidy an’ilay tanàna hanova ny lalàny. Ny 16 Martsa, tao amin’ny fivorian’ilay filan-kevitry ny tanàna, dia nandany fehin-kevitra iray tsy nitaky fanomezan-dalana sy karatra famantarana tamin’ny fivavahana, ilay filan-kevitra sy ilay ben’ny tanàna. Azo atao indray ny mitory ny vaovao tsara tsy misy fameperana tsy araka ny lalàm-panorenana, ao Oradell!

Isaky ny tononina ao amin’ny fitsarana ny anaran’i Jehovah, na ilay vahoaka mitondra ny anarany, mandritra ny fivorian’ny parlemanta, na mandritra ny fihainoan’ny antenimieram-pirenena, dia mahazo fanambarana ireo olona “manana fahefana”, izay mety tsy handre matetika ny hafatra momba ilay Fanjakana. (1 Tim. 2:2). Mivantana sy be dia be lavitra anefa ny fahafahana hanome fanambarana indraindray, toy ny tany Rosia.

Tao amin’ny efitra fitsarana tery iray tao Moscou, any Rosia, dia natao ny ezaka mafy, nanomboka tamin’ny Septambra 1998 ka hatramin’ny Martsa 1999, mba handrarana ny asa ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou. Tsy nampangina velively ny Vavolombelon’i Jehovah anefa io efitra fitsarana io, fa vao mainka nanolotra fahafahana tsy manam-paharoa hanao fanambarana mafonja.

Nanao fiampangana tsy marim-pototra nokendrena hanafoanana ny Kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou, ny Biraon’ny Mpampanoa Lalàna ao Moscou, izay nampian’ny Sampan-draharahan’ny Fitsaran’i Moscou tatỳ aoriana. Nanambatra ny heriny ilay birao sy ny fikambanana iray mpanohitra sekta nifandray tamin’ny Eglizy Ôrtôdôksa Rosianina. Raha ny tokony ho izy, dia tsy hanaiky ny hanaovana fitsikerana fampianarana sy zavatra inoana ara-pivavahana ao amin’ny efitra fitsarana, ny fitsarana iray mikarakara ady madio. Ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaony anefa no nampangaina tao amin’ny fitsarana, koa ireo no nifantohan’ilay fitsarana.

Nilaza ilay mpampanoa lalàna, tao amin’ilay fitsarana, fa mampirisika fifankahalana ara-pivavahana ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Amin’ny fomba ahoana, hoy izy? Mampianatra, hono, isika fa isika no manana ny fivavahana marina. Tamin’izay ny mpisolovava iray tao amin’ny fiarovana, izay Vavolombelon’i Jehovah, dia nanome Baiboly an’ilay mpitsara sy ilay mpampanoa lalàna, ka namaky ny Efesiana 4:5, manao hoe: “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”. Nanohy ny fiarovany araka ny Soratra Masina ihany ilay rahalahintsika rosianina, hoenti-manohitra ireo fiampangana hafa tao amin’ny fitarainan’ilay mpiampanga, ka nanonona andinin-teny toy ny Jakoba 1:27 sy Jaona 17:16 ary Apokalypsy 18:1-4, izay mampiseho ny ilana ho ‘tafasaraka amin’izao tontolo izao’. Namaly ilay mpiampanga hoe io andinin-teny farany mahakasika an’i Babylona Lehibe io, dia fanompana ny fivavahan’ny hafa, rehefa ampiharina amin’izy ireo. Nanazava toy izao anefa tatỳ aoriana ny lehilahy iray, izay sady mpampianatra filôzôfia no mpampianatra any amin’ny oniversite: “Rehefa miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fampianarany ireo manam-pahaizana, dia tsy takany fa miampanga ny Baiboly izy ireo, raha ny marina.”

Azo natao ny namaky teo anatrehan’ilay fitsarana ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah nampidirin’ilay mpiampanga tao amin’ny fitarainany. Novakina niaraka tamin’ny teny manodidina anefa ireo teny nalainy, tamin’ity indray mandeha ity, ka naseho araka ny marina ny zavatra inoantsika, hany ka rava ireo mety ho fototra ara-dalàna hiampangana antsika ho nanao ratsy. Tsy latsaka ny dimy ny fandinihana siantifika naroson’ny manam-pahaizana lehibe rosianina nanohitra ireo fiampangana. Nantitranterina koa ireo fanapahan-kevitra ara-pitsarana sy fifanekena iraisam-pirenena mitaky ny hanajana ny fahalalahana ara-pivavahana.

Ho nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ilay lalàna rosianina tamin’ny 1997, izay nahatonga ilay mpiampanga hanao ny fitoriany? Nandritra ilay fitsarana, dia izany no novelabelarin’ny mpisolovava kanadianina iray tao amin’ny fiarovana, izay Vavolombelon’i Jehovah koa. Hoy izy tamin’ilay fitsarana: ‘Marina fa nanakiana ny mpitarika ara-pivavahana tamin’ny androny i Jesosy, ka nampihatra tamin’izy ireo ireto teniny ao amin’ny Jaona 8:44, 45 ireto: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo”. Aseho ao amin’ny Matio 15:2-9 fa nanameloka ny lovantsofina nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy. Nitady handrava fianakaviana ve i Jesosy, rehefa nilaza ireo teniny ao amin’ny Matio 10:34-37? Tsia, fa nilaza fotsiny izay tsy maintsy hitranga noho ny fihetsiky ny olombelona izy. Resahin’ny Lioka 18:15, 16 koa fa nasain’i Jesosy hanatona azy ny ankizy madinika. Moa ve izy tamin’izany nitaona tamim-pitaka ny zatovo sy ny ankizy tsy ampy taona hanaraka ny Kristianisma? Ary nahoana no nirin’ireo mpanohitra ara-pivavahana hitsahatra tsy hitory intsony i Jesosy? Asehon’ny Jaona 11:47, 48 fa satria maro no nanaraka an’i Jesosy, ka nihevitra ireo mpitondra fivavahana jiosy fa lasan’i Jesosy ireo mpivavaka tao aminy. Mety hahita mitovitovy amin’izany koa isika amin’izao andro izao.’ Miharihary fa raha nitory tao Moscou i Jesosy Kristy, dia nety ho niampangana azy koa izay niampangana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io raharaha io. Iza anefa no diso? Miharihary fa ireo nanao fiampangana, satria “tsy nanota akory” i Jesosy. — 1 Pet. 2:22.

Mba hamaliana ireo fanontaniana napetraky ny mpiampanga mahakasika ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia namaky ny Daniela 2:44, 45 sy ny 2 Timoty 3:1-5 avy tao amin’ny Baiboly ny mpisolovava rosianina iray, izay rahalahintsika koa. Tamin’ny tolakandron’io ihany, tatỳ aoriana kokoa, dia nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ilay fitsarana ny Vavolombelona iray zafikelina Vavolombelona, ka nasehon’ny tantaram-piainany fa efa tany Rosia nandritra ny am-polony taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampahatsiahivin’ny fanambarany koa ny fijaliana niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny nanaovana sesitany azy ireo tany Siberia, sy ny fijaliana noho ny famoretana hafa nandritra ireo taona maro nandraran’ny fitondrana sovietika ny asany. — Jereo ny Mifohaza! 8 May 1999, pejy faha-20-25.

Mbola nisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny ramatoa iray izay mpisolovava fahatelo. Tsy Vavolombelon’i Jehovah akory izy, saingy tsy mba nanana fitsarana an-tendrony izy, ary za-draharaha amin’ny fiarovana ny zon’olombelona. Na izy aza dia nanana fahafahana nanokatra ny Baiboly sy nampiseho andinin-teny maromaro tamin’ilay fitsarana. Rehefa avy nanondro ny Apokalypsy 14:1; 16:16; 20:6; sy ny Salamo 37:9, 10 izy, dia nanasa an’ilay “manam-pahaizana” ara-pivavahan’ilay mpiampanga hampiseho hoe aiza no mahadiso ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy afaka nampiseho izany ilay “manam-pahaizana”.

Mahaliana fa nanoratra indray ny Vavolombelon’i Jehovah ho fikambanana ara-pivavahana ny Minisiteran’ny Fitsaran’ny firenen’i Rosia, ny 29 Aprily 1999. Tsy nanafoana ilay raharaha ara-pitsarana tao Moscou anefa izany, ary tsy niteraka famoahana didim-pitsarana nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah. Andrasan’ilay fitsarana kosa izao ny hahavitan’ny antokona “manam-pahaizana” tendren’ilay mpitsara, ny fandinihana ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah. Na inona na inona fanatsoahan-kevitra avy amin’izany, dia afaka matoky isika fa “hanjary ho fanambarana” izany. — Matio 10:18, NW.

Ankoatra ny fanambarana natao tamin’ny manam-pahefana tao amin’ilay efitra fitsarana, dia niely nanerana an’i Rosia tamin’ny alalan’ny gazety sy ny televiziona ny vaovao momba ilay fitsarana. Nampitain’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia tamin’ny fampahalalam-baovao sy ny besinimaro koa ny zava-nitranga isan’andro tao amin’ilay fitsarana. Ny ampahany manontolo avy tao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower izay nasehon’ny mpiampanga tamin’ny fomba diso, no nomena, ary be dia be ny tantaran’ny Vavolombelona nampahafantarina. Masoivohom-baovao iraisam-pirenena lehibe fito, fara fahakeliny, no nanana solontena tao amin’ilay fitsarana, tamin’ny fotoana samihafa. Liana be tamin’ny fizotran’ilay fitsarana ireo ambasadin’ny firenen-kafa sy fikambanana miaro ny zon’olombelona. Ny 11 Martsa, ny Parlemanta Eoropeanina dia nandany fehin-kevitra iray nitaky tamin’ny manam-pahefana rosianina isan-tsokajiny avy mba hiantoka fahalalahana ara-pivavahana, sy hanaraka ny fifanekena iraisam-pirenena nandraisan’ny fitondram-panjakana rosianina anjara. Ny volana nanaraka, dia mpikambana 11 tao amin’ny Fivoriamben’ny Parlemantan’ny Filan-kevitr’i Eoropa no nanao sonia taratasy hafa iray koa nilazany ny fanahiany momba ny fizotran-javatra tao amin’ilay fitsarana ao Moscou.

Etsy an-danin’izany, dia mahafantatra tsara ireo rahalahy any Moscou sy manerana an’i Rosia, fa ‘halan’ny’ mpanohitra ny hafatra momba ilay Fanjakana, izy ireo. Nisy fanapoahana gaza tao amin’ny fivoriana iray nataon’ny kôngregasiôna tao Saint-Pétersbourg. Nanafika anabavy zokiolona iray tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpanohitra iray, fony io anabavy io nivoaka nanompo teny amin’ny saha. Ary nofoanana ny fifanekena momba ny fanofana trano sasany nivorian’ny Vavolombelona tao Moscou, ka Vavolombelona 2 000 no tsy nanana toeram-pivoriana, ary voatery nitady toerana hafa. Avy eo, tamin’ny Aogositra, rehefa nanao fivoriamben’ny distrika tao Moscou ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia teo aza ny fiezahan’ny hafa hisakana azy io, dia voatery niala daholo ny mpanatrika ny asabotsy tolakandro, noho ny fanairana hoe hisy baomba hipoaka. Na izany aza, dia 600 no natao batisa tamin’io fivoriambe io, ary olona maherin’ny 15 100 no niverina ny alahady mba handre ny tapany tamin’ilay fandaharana.

Rehefa heverina ny fanerena maro samihafa ampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany eo am-panatontosany ny fanompoany, dia nety ny nivorian’ireo rahalahy tompon’andraikitra tamin’ny Aprily 1999, mba hiara-midinika momba ny zavatra ilaina ankehitriny, raha ny amin’ny “fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara”. — Fil. 1:7, NW.

Miaiky mafy ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy misy fiadiana natao hamelezana ny “mpanompon’i Jehovah” ka hambinina, araka ny lazain’ny Baiboly. (Isaia 54:17). Ary omena antsika izao fampanantenana izao, ao amin’ny Jeremia 1:19: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.”

[Sary, pejy 6]

Mampiseho ilay boky vao nivoaka hoe “Diniho ny Faminanian’i Daniela!” amin’ny fiteny anglisy i Daniel Sydlik

[Sary, pejy 6]

Mampiseho ilay “New World Translation” vao nivoaka amin’ny fiteny koreanina i Chong-il Park

[Sary, pejy 12, 13]

Nairobi, Kenya — iray tamin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena 32

[Sary, pejy 14]

Ambony havia: Vatsy fanampiana naondrana tao Belzika mba halefa any Afrika. Ambany: Mpitsoa-ponenana avy any Congo mahazo toromarika sy miara-mihira fiderana an’i Jehovah avy amin’ny fo

[Sary, pejy 20, 21]

Fanomanana zavatra vita an-tsoratra halefa avy ao amin’ny foibe maneran-tany