Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Angola

Angola

Angola

Ady sy tsy fahampian-tsakafo, fahafatesana ateraky ny aretina, ny fampijalian’ny olona masiaka toy ny bibidia sy ny fahafatesana aterak’izany — ireo rehetra ireo dia nambaran’ny Baiboly mialoha ho an’ny androntsika tamin’ny endriky ny mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy. (Apok. 6:3-8). Misy fiantraikany eo amin’ny tany manontolo izy ireo, anisan’izany i Angola.

Tsapa nanerana an’ity firenena ity ny vokatry ny firiotran’ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy tsy voafehy ireo. Nanao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ireo toe-javatra ireo?

Vavolombelona maro no nenjehina tamin-kabibiana. Ny sasany novonoina ka maty, nefa tsy nanan-tsiny, tsy nandray anjara akory tamin’ny ady an-trano tsy nisy farany feno halozana. Maro no nijaly noho ny mosary nateraky ny fisafotofotoana izaitsizy ara-politika sy ara-toe-karena. Tsy nisy na inona na inona nahafaty ny finoan’izy ireo an’i Jehovah Andriamanitra anefa na nahafoana ny fatokisan’izy ireo ny Teniny. Ny fanirian’izy ireo amim-pahatsorana dia ny tsy hivadika amin’Andriamanitra sy ny hanao fanambarana feno amin’ny hafa momba ny fikasany. Ary ny fifankatiavan’izy ireo dia porofo mampiaiky fa tena mpianatr’i Jesosy Kristy ny tenany. — Jaona 13:35.

Indreto misy ohatra roa mampiseho ny hamafin’ny finoany. Nanizingizina mafy toy izao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny inspekteran’ny polisy iray, maherin’ny 40 taona lasa izay: “Raha mbola eto Angola koa, (...) dia vita hatreo ny amin’ny fikambanana Tilikambo Fiambenana, vita tanteraka!” Fotoana fohy taorian’izay, dia nandrahona ny Vavolombelona iray hafa teratany angoley izy. Hoy ny fanontanian’ilay inspektera: “Mba fantatrao moa hoe inona no hanjo anao izao?” Namaly azy tamim-pahatoniana ilay rahalahy hoe: “Fantatro hoe inona no azonao atao amiko. Ny zavatra ratsy indrindra azonao atao dia ny mamono mahafaty ahy. Inona no azonao atao ankoatra izany? Tsy hiala amin’ny finoako anefa aho.” Nijoro mafy tamin’izany fahatapahan-keviny izany io Vavolombelona io, izay tsy iza fa i João Mancoca, na dia nentina tamin-kalozana nandritra ny taona maro aza izy, tany am-ponja sy tany amin’ny toby fanasaziana.

Vao haingana kokoa, dia nanoratra toy izao ny loholona iray avy ao amin’ny provansin’i Huambo: “Voahodidina loza izahay. Ory mafy ireo kongregasiona, satria tsy ampy mihitsy ny sakafo ary tsy misy firy ny fanafody. Tsy hitanay izay teny hilazana ny tarehin-javatra ankehitriny sy ny manjo an’ireo rahalahintsika.” Nilaza toy izao koa anefa izy: “Na reraka mafy aza ny vatanay, dia salama ara-panahy izahay. Izay efa voalaza mialoha ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 2 Timoty 3:1-5 no mitranga izao.”

Inona no mahatonga azy ireo hijery lafy tsaran-javatra toy izany, na dia miatrika zava-tsarotra aza? Ny finoana sy ny herim-po avy amin’ny fitokisany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy, fa tsy amin’ny tenany na ny olombelona hafa. Fantany fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, na iza na iza toa mifehy amin’izao fotoana izao, ary na manao ahoana na manao ahoana mety ho fahasarotan’ny toe-javatra iray. Miaiky tanteraka izy ireo fa ho mpandresy ny Zanak’Andriamanitra, izay manapaka any an-danitra, ary ho tonga paradisa ny tany, eo ambanin’ny fanapahany. (Dan. 7:13, 14; Apok. 6:1, 2; 19:11-16). Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah eto Angola avy tamin’izay nodiaviny fa manome hery mihoatra noho ny mahazatra an’ireo olombelona marefo Andriamanitra, na dieny ankehitriny aza, ka afaka miaritra izy ireo. — 2 Kor. 4:7-9.

Alohan’ny handinihantsika bebe kokoa ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah eto Angola anefa, dia topazo maso kely ilay tany misy azy ireo.

Mbola manana harena be dia be

Eto amin’ny tapany atsimoandrefan’i Afrika no misy an’i Angola, ka ny Repoblika Demokratikan’i Congo no atsy avaratra, i Namibia no atsy atsimo, i Zambia no atsy atsinanana, ary ny Oseana Atlantika no eo andrefana. Mirefy 1 246 700 kilaometatra toradroa ny velaran-taniny, ka mila hitovy amin’ny fitambaran’ny velaran-tanin’i Frantsa sy i Italia ary i Alemaina, ary efa ho avo 14 heny noho ny velaran-tanin’i Portogaly, izay nanomboka nanjanaka an’i Angola tamin’ny taonjato faha-16. Tokotokony ho ny 50 isan-jaton’ny mponina no milaza tena ho Katolika, vokatry ny fanjanahan’i Portogaly.

Mbola ny fiteny portogey ihany no fiteny ofisialy, kanefa fiteny maro no ampiasaina eto Angola. Ny fiteny umbundu sy kimbundu ary kikongo no be mpampiasa indrindra amin’ireo fiteny 40 mahery ampiasaina eto.

Nafindra nankany an-tany hafa ireo harena tondraka teto Angola, tao anatin’ireo taona maro lasa. Nandritra ny fanjanahan-tany, dia andevo an-tapitrisany maro no nalefa tany Brezila, izay zanatany portogey koa tamin’izany fotoana izany. Namokatra akondro, manga, mananasy, fary, sy kafe be dia be ny tany lonak’i Angola, teo aloha. Rehefa afaka ny ziogan’ny fanjanahan-tany, dia nanakantsakana ny fivoaran’ny toe-karena ny ady an-trano. Na izany aza, dia mbola manana harena tondraka i Angola, dia solitany any an-dranomasina sy harena an-kibon’ny tany maro be toy ny diamondra sy vy. Ny harenany be indrindra anefa dia ny olona an’arivony maro manetry tena sy feno fahatapahan-kevitra, mampiseho fitiavana lalina ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampanantenany hoavy mamirapiratra eo ambanin’ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

“Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao”

Mpivady mpisava lalana avy any Le Cap, atsy Afrika Atsimo, nantsoina hoe Gray Smith sy Olga vadiny, no voalazan’ny tatitra fa Vavolombelon’i Jehovah nitory voalohany teto Angola. Niainga avy tao Johannesburg izy mivady tamin’ny Jolay 1938, nitondra fiara natao hampanakoakoana lahateny ara-baiboly. Nofenoiny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fiara. Naharitra telo volana ny dian-dry Smith, ary nahazo famandrihana tamin’Ny Tilikambo Fiambenana sy nahapetraka Baiboly sy boky ary bokikely 8 158 ry zareo. Nampiely zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly be dia be tany amin’ny faritra midadasika izy ireo, ka nitory tao Benguela, teto Luanda, tao Sá da Bandeira (Lubango ankehitriny), ary tany amin’ny tanàna hafa tany amin’ny faritra andrefana teto Angola. Nipoaka anefa ny Ady Lehibe Faharoa ny taona nanaraka, koa sarotra ny nanohy ny fifandraisana tamin’ireo olona liana.

Nandritra ny fotoana elaela, dia tsy hita izay tena vokatr’ilay fitoriana nataon’izy ireo. Na izany aza, dia hita fa marina izao foto-pitsipika ao amin’ny Mpitoriteny 11:1 izao: “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.”

Rehefa afaka taona maro vao nitsimoka ny voan’ny fahamarinana sasany, araka ny nasehon’ny tatitra iray avy tany amin’ny Provansin’i Huíla. Taona maro taorian’ilay dia fitoriana nataon-dry Smith, dia tsaroan’ny lehilahy iray atao hoe Atoa Andrade ny zava-nitranga fony izy 41 taona: Nipetraka tao Sá da Bandeira izy, ary nahazo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny olona iray avy tatsy Afrika Atsimo sendra nandalo tamin’ny fiarakodia. Nahazo ny boky Harena (anglisy) sy famandrihana tamin’Ny Tilikambo Fiambenana izy tamin’izay fotoana izay. Nanoratra tany amin’ny sampan’i Brezila izy, ary nataon’ilay sampana izay hahazoany fampianarana Baiboly tamin’ny alalan’ny fifanoratana. Natsahatra anefa ilay fampianarana Baiboly tatỳ aoriana, rehefa tsapan’Atoa Andrade fa natao sivana ny taratasiny. Tapaka nandritra ny taona maro ny fifandraisany tamin’ny Vavolombelona.

Tamin’ny 1967, dia nifindra monina nankao Sá da Bandeira i Zuleika Fareleiro, izay vao vita batisa. Somary kely ihany ny fahalalany momba ny fahamarinana, ary voarara tamin’izany fotoana izany ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola. Na izany aza, dia naniry mafy ny hiresaka tamin’ny hafa momba izay fantany izy. Nanomboka nampianatra ny Baiboly ny vehivavy iray izy, ary nilaza taminy io vehivavy io fa nahafantatra mpanao kiraro izay toa tao amin’ilay fivavahan’ny Anabavy Fareleiro koa. Nitondra kiraro mba hamboarina àry ilay anabavintsika, ary rehefa nasehony an’ilay mpanao kiraro ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, dia akory moa ny hafalian’io lehilahy io! Afaka nanomboka fampianarana Baiboly taminy ilay anabavy. Tsy iza io lehilahy io fa Atoa Andrade. Teo amin’ny seza misy kodiarana izy tamin’izay fotoana izay, ary nikorontan-tsaina be noho izy nanatri-maso ny namonoana ny vadiny. Koa nanintona azy àry ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana, ary nifikitra mafy tamin’izany izy. Natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1971, ary nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana mandra-pahafatiny tamin’ny 1981, teo amin’ny faha-80 taonany. Nitondra fampaherezana lehibe ho an’ny hafa ny nanatrehany tsy tapaka ny fivoriana rehetra, sy ny nandraisany anjara tamin’izany, na dia sembana sy nandroso taona aza izy.

Ezaka natao hampianarana sy hanondrotana ny Angoley

Tokony ho 60 taona lasa izay, dia tao amin’ny misiona batista iray tany avaratra ny lehilahy iray nantsoina hoe Simão Toco. Nankao an-tranon’ny namany iray i Toco, fony izy nifindra avy tao M’banza Congo teto Angola, nankany Léopoldville tatsy Congo Belza (Kinshasa ankehitriny atsy amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo). Nahita ilay gazety hoe Luz e Verdade (Despertai! ankehitriny) izy tao amin’ilay namany. Nisy fandikana ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao (anglisy), tamin’ny teny portogey, tao anatin’io gazety io. Nahaliana an’i Toco ilay izy. Ilay namany kosa tsy liana ka nasainy nentin’i Toco ilay gazety. Tamin’izany fomba izany no nahazoany koa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanorina antoko mpihira i Toco, rehefa tonga tao Léopoldville tamin’ny 1943. Nanjary nisy mpikambana an-jatony maro io antoko mpihira io, rehefa nandeha ny fotoana. Dodona ny hampianatra sy hanondrotra an’ireo Angoley tany an-tsesitany tahaka azy i Toco, ka nandika tamin’ny teny kikongo ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao (anglisy). Nampidiriny tsikelikely tao amin’ireo hira noforoniny ilay fanantenana ny amin’ilay Fanjakana sy ireo fahamarinana ara-baiboly hafa nianarany. Nampiasainy koa ireny fanazavana ireny rehefa niara-nandinika ny Baiboly tamin’ny mpikambana sasany tamin’ilay antoko mpihirany izy. Tamin’ny 1946, dia nanomboka niaraka tamin’ilay antokon’olona niara-nianatra Baiboly tamin’i Toco, i João Mancoca, Angoley hafa iray niasa tao Léopoldville. Natao ny asabotsy sy ny alahady hariva ireo fivoriana, ary tonga foana i Mancoca, niaraka tamin’ny mpanatrika 50 teo ho eo.

Tamin’ny 1949, dia nahatsiaro ho voatosika mafy hiresaka tamin’ny hafa momba izay nianarany ireo olona niara-nianatra ny Baiboly ireo, ka nitory tao Léopoldville ny ankamaroany. Nampirehitra ny fahatezeran’ny mpitondra fivavahana batista sy ireo manam-pahefana belza izany. Tsy ela dia nosamborina ny ankamaroan’ireo niaraka tamin’i Toco, anisan’izany i João Mancoca. Notanana tany am-ponja nandritra ny volana maromaro izy ireo. Naverina teto an-tanindrazany, teto Angola, ireo tsy nety niala tamin’ilay fihetsiketsehana niaraka tamin’i Toco sady tsy nety nampitsahatra ny famakiany zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy 1 000 teo ho eo izy ireo, tamin’ny farany.

Tsy tapa-kevitra ny amin’izay hanaovana azy ireo ny manam-pahefana portogey teto Angola. Naparitaka tany amin’ny faritra maro samihafa teto Angola ireo naverina teto, tamin’ny farany.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany, izany hoe tamin’ny 1950, no nampidirana ny fahamarinana ara-baiboly tao Huambo, ilay tanàna lehibe indrindra faharoa eto Angola, fantatra tamin’izany fotoana izany hoe Nouvelle Lisbonne. Rehefa afaka elaela vao nisy ny fandrosoana, kanefa tonga mpanompon’i Jehovah tsy nivadika tatỳ aoriana i João da Silva Wima, i Leonardo Sonjamba, i Agostinho Chimbili, i Maria Etosi, ary i Francisco Portugal Eliseu, izay nonina tao Huambo. Nanampy an’ireo fianakaviany koa izy ireo mba hahafantatra momba an’i Jehovah sy ny fari-pitsipiny marina.

Nalefa niasa tany amin’ny toeram-pambolena kafe tany avaratra i Toco sy ny olon-kafa sasany. Mampalahelo anefa fa efa nanomboka niova ny fomba fijerin’i Toco zavatra. Nisy mpanara-dia an’i Simão Kimbangu, mpifandray amin’ny fanahy ratsy, nanatrika ny fivorian-dry Toco mbamin’ilay antokon’olona niaraka taminy, fony izy ireo mbola tao Léopoldville. Indray mandeha, nandritra ny fivoriana iray, dia nitranga izay noheverin’ny sasany ho firotsahan’ny fanahy. Tsy ‘nozahany toetra anefa na avy tamin’Andriamanitra ilay fanahy, na tsia’. (1 Jaona 4:1). Tsy faly i João Mancoca rehefa nahita fa nosoloana fianteherana tamin’ilay ‘fanahy’, ny fianarana ny Baiboly.

Rehefa naverina teto Angola izy ireo, dia tonga teto Luanda i João Mancoca. Nampirisika ny hafa tao amin’ilay antokon’olona mba hifikitra tamin’ny Baiboly sy hanilika an’ireo fanao tsy mifanaraka amin’ny Baiboly, i Mancoca sy i Sala Filemon ary i Carlos Agostinho Cadi. Nandalo teto Luanda i Toco, tatỳ aoriana, fony izy nafindra toerana nankany atsimo. Hita niharihary fa vao mainka nisy heriny be teo aminy ny zavatra ninoan’ireo mpanara-dia an’i Kimbangu.

Namadika ny iray tamin’ilay antokon’olona niaraka tamin’i Toco, ka ho vokany dia nosamborina ary nalefa tany Baía dos Tigres, toby fanasaziana nifandray tamin’ny toeram-panjonoana iray, i João Mancoca sy i Carlos Agostinho Cadi ary i Sala Filemon, tamin’ny 1952. Tsy iza ilay namadika fa lehilahy iray tia nampahatahotra sady nanana vady roa. Nitady ho tonga mpitarika an’ilay antokon’olona teto Luanda izy, ka saika niala mihitsy ny sasany. Tsy ela anefa dia ny tenany mihitsy no nahita loza tamin’ny manam-pahefana, noho izy nanao ny tsy marina, ka nalefa tany amin’ilay toby fanasaziana koa izy.

Mpitsidika nirahina hanao asa telo sosona

Naharay taratasy maromaro avy tamin’ilay antokon’olona tao Baía dos Tigres ny sampan’i Afrika Atsimo, tamin’ny taona 1954. May ny hahazo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izy ireo. Koa nirahina avy tany Frantsa nanketo Angola àry i John Cooke, misioneran’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1955. Telo sosona ny asa nanirahana azy: hamotopototra ireo tatitra hoe nisy Vavolombelona 1 000 teto Angola, hiezaka hanampy azy ireo raha azo atao, ary hijery izay azo atao mba hanorenana ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola. Nihaona tamin’ny antokon’olona maro izy nandritra ny dimy volana nanaovany ilay famotopotorana, ka hitany fa tsy ampy 1 000 velively ny isan’ny Vavolombelona teto. Nasehon’ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny 1955 fa tsy nisy afa-tsy 30 monja ny mpitory ny vaovao tsara nanerana an’i Angola.

Voatery niandry herinandro maromaro i John Cooke vao navelan’ny manam-pahefana portogey hitsidika an’i João Mancoca sy ilay antokon’olom-bitsy tao Baía dos Tigres, tany atsimo. Nahazo lalana hijanona tao nandritra ny dimy andro ny Rahalahy Cooke, ary ny fanazavany ny Baiboly dia vao mainka nampiaiky an’i Mancoca sy ireo namany fa solontenan’ilay fandaminana tena manompo an’i Jehovah Andriamanitra tokoa ny Rahalahy Cooke. Ny andro faran’ny fitsidihany, dia nanao lahateny ampahibemaso nitondra ny foto-kevitra hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” ny Rahalahy Cooke, teo anatrehan’ny olona 80 teo ho eo, anisan’izany ny tale nitantana an’ilay toby fanasaziana.

Afaka nifandray tamin’i Toco sy ireo olona tany an-toeran-kafa nanaiky hotarihin’i Toco, ny Rahalahy Cooke, nandritra ireo volana nandalovany teto Angola. Hita fa, hay, mpanara-dia an’i Toco fotsiny ny ankamaroany, fa tsy liana tamin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah akory. Ny naningana dia i António Bizi, tovolahy iray teto Luanda. May ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny fikasan’i Jehovah izy. I Toco kosa tamin’izay fotoana izay dia tsy navela hihetsika tao amin’ny vohitra iray teny akaikin’i Sá da Bandeira, ary tsy nomen-dalana handefa na hahazo taratasy.

Loharanom-pampaherezana lehibe ho an’ilay antokon’olom-bitsy nahatoky tao Baía dos Tigres ny fitsidihan’ny Rahalahy Cooke, ary nanamafy fa “tsy diso lalana” izy ireo, araka ny tsaroan’ny Rahalahy Mancoca. Nahariharin’izany koa fa nety hisy ny fitomboana, na dia vitsy noho izay voalazan’ny tatitra aza ny isan’ny Vavolombelona. Nolazain’ny Rahalahy Cooke tao amin’ny tatitra nataony fa “dodona ny hianatra” ny sasany tamin’izay nihaona taminy, ary “toa misy saha hamokatra eto”.

Nahazo fampaherezana bebe kokoa

Ny taona nanaraka ny fitsidihan’ny Rahalahy Cooke, dia naniraka rahalahy mahay hafa iray ny Fikambanana. Tsy iza izany fa i Mervyn Passlow, izay nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada, ary nirahina nanketo Luanda niaraka tamin’i Aurora vadiny. Nananan’izy mivady ny lisitry ny anaran’olona 65 teo ho eo nanao famandrihana tamin’ny gazetintsika sy ny anaran’ny olon-kafa liana nangonin’i John Cooke. Teo am-boalohany, dia sarotra tamin-dry Passlow ny nifandray tamin’ireo olona nanao famandrihana, satria nalefa tany amin’ny boatin’ny paositra, fa tsy tany amin’ny adiresin’ny trano, ireo gazety. Niverina teto Luanda anefa tamin’izay fotoana izay ny vehivavy iray nantsoina hoe Berta Teixeira, rehefa avy nipetraka tany Portogaly. Efa nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany izy, ary liana be tamin’ny fahamarinana ara-baiboly. Nampahafantarin’ny birao tao Lisbonne an-dry Passlow fa ho avy i Berta, ary tsy nangataka andro izy ireo nampianatra azy ny Baiboly. Niasa tao amin’ny paositra ny iray tamin’ny havan’i Berta, ary nanampy azy ireo hahita ny adiresin’ireo olona nanao famandrihana. Tonga mpianatra ny Baiboly mazoto ny ankamaroan’izy ireny. Tsy ela dia niresaka tamin’ny namany sy ny mpiara-monina taminy izy ireny. Tao anatin’ny enim-bolana monja, dia nampianatra olona maherin’ny 50 ry Passlow.

Roa volana taorian’ny nahatongavany, dia nanomboka fianarana ny Baiboly tsy tapaka tamin’ny alalan’Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny efitranony ry Passlow. Nanjary kely loatra ilay efitrano rehefa nifarana ny volana voalohany. Nitantana sekoly fianarana fiteny i Berta Teixeira, ka nanolo-kevitra ny hampiasana ny iray tamin’ireo lakilasy mba hanaovana fivoriana. Rehefa afaka valo volana, dia teo amin’ny helodrano teto Luanda no nanaovana ny batisa voalohan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola.

Voafetra ihany ny fifandraisan-dry Passlow tamin’ireo rahalahy afrikanina, noho ny toe-draharaha teto Angola tamin’izany fotoana izany. Tena tonga nitsidika an-dry Passlow anefa ny sasany tamin’ireny rahalahy ireny. Tonga nitsidika azy ireo tsy tapaka i António Bizi mba hianatra, ary efa hitan’i John Cooke fa nazoto nianatra izy io. Ary nandefa taratasy fampaherezana ho an-dry Passlow i João Mancoca, izay mbola notanana tao amin’ilay toby.

Fotoana fohy taorian’ilay fanaovana batisa voalohany anefa, dia tsy nanaiky hanavao ny taratasy fahazoan-dry Passlow hijanona teto Angola ny fitondram-panjakana, koa voatery niala teto izy ireo. Nahavita asa tsara dia tsara izy ireo, satria namafy “voa” sy nanondraka an’ireo voa nambolen’ny hafa. (1 Kor. 3:6). Nanjary niraiki-po tamin’ireo rahalahy angoley koa izy ireo. Noho ny tsy fitiavan’ny polisy an-dry Passlow, dia nampitandreman’izy mivady ny rahalahy teto an-toerana, indrindra fa ny Afrikanina, mba tsy ho tonga hanao veloma azy ireo. Mafy loatra anefa ilay fatoram-pitiavana nampiray azy ireo, ka maro no tonga ho fanehoam-pitiavana, rehefa niondrana an-tsambo ry Passlow.

Efa nitsidika an-dry Passlow tamin’ny 1958 i Harry Arnott, mpiandraikitra ny zone, fony izy ireo mbola teto Luanda. Tonga nitsidika indray an’i Angola ny Rahalahy Arnott, tamin’ny naha mpiandraikitra ny zone azy, tamin’ny Febroary 1959. Nisy olom-bitsy, anisan’izany ny Rahalahy Mancoca sy ny Anabavy Teixeira, tonga nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina. Nisalovana saika teo no ho eo ihany anefa ny polisy. Nosarahin’izy ireo tamin’ilay antokon’olom-bitsy ny Rahalahy Arnott, ary nosavany ny entany.

Notanana tao amin’ny efitra iray ihany anefa ny Rahalahy Arnott sy ny Rahalahy Mancoca, tamin’ny farany. Nihomehy izy mirahalahy rehefa nifankahita. Tsy hitan’ilay inspekteran’ny polisy anefa izay nampihomehy tamin’ilay toe-javatra. Nisafoaka izy ka niteny tamin’i Mancoca hoe: “Mba fantatrao moa hoe inona no hanjo anao izao?” Efa nigadra enin-taona ny Rahalahy Mancoca ary efa novelezina imbetsaka, ka hoy ny navaliny tamim-pahatoniana: “Tsy mahatomany aho. Fantatro hoe inona no azonao atao amiko. Ny zavatra ratsy indrindra azonao atao dia ny mamono mahafaty ahy. Inona no azonao atao ankoatra izany?” Hentitra toy izao ny famaranan-teniny: “Tsy hiala amin’ny finoako anefa aho.” Nitodika nijery ny Rahalahy Arnott izy tamin’izay fotoana izay, ary nitsiky ho fampaherezana azy. Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Arnott: “Toa hadinony tanteraka ny fahoriany, fa ny hany zavatra nahiny dia ny tsy hahakivy ahy tamin’ilay toe-javatra. Tena nampahery tokoa ny nahita io rahalahy afrikanina io nijoro mafy tamin-kerim-po toy izany, na dia efa nigadra an-taonany maro aza izy.”

Noroahina niala teto Angola ny Rahalahy Arnott, ka naverina tamin’ilay fiaramanidina nitondra azy ihany, kanefa efa afaka nifandray sy nifampahery vetivety tamin’ny Rahalahy Mancoca. Nafahana koa ny Rahalahy Mancoca, rehefa avy nofotorana nandritra ny adiny fito.

Herinandro taorian’iny zava-niseho iny, dia natao batisa, rehefa ela ny ela, ny Rahalahy Mancoca mbamin’ireo namany, dia i Carlos Cadi sy i Sala Filemon. Tokony ho tamin’izany fotoana izany no nohofana ny efitrano iray tao Sambizanga, teny an-tsisin’i Luanda, ary tao no nanaovana ny fivorian’ny kongregasiona ofisialy voalohan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola. Afaka nanomboka sy namarana ny fivoriana tamin’ny hira izy ireo tamin’izany fotoana izany, ary nahasarika ny sain’ny hafa teny akaiky ireo hira. Maro no niaiky volana raha nahita an’ireo mpanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana afaka nandray anjara tsara mihitsy nandritra ilay fivoriana, ary koa navela hametraka fanontaniana rehefa vita ny fivoriana. Nanome tosika lehibe ho an’ny asa teto Angola io fifanakalozan-kevitra io, izay tsy nisy tany amin’ireo fiangonan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina.

“Malina tahaka ny bibilava”

Nafindra tany amin’ny sampan’i Portogaly ny fanaraha-maso ny asa fitoriana ny vaovao tsara teto Angola, fa tsy natao tatsy Afrika Atsimo intsony, tamin’ny 1960. Nanamafy ny fatorana nampiray ny Vavolombelon’i Jehovah tany Portogaly sy teto Angola izany. Nifanohitra tamin’izany kosa fa niharatsy ny fifandraisana ara-politika teo amin’ireo tany roa ireo, ary i Portogaly koa moa efa nanjanaka an’i Angola rahateo nandritra ny fotoana naharitra.

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny rivo-piainana politika teto Angola ny nahazoan’i Congo Belza tetsy akaiky fahaleovan-tena sy ny ady an-trano nanaraka izany. Vao mainka mailo kokoa ny mpanjana-tany teto Angola, saingy tsy nahasakana ny fipoahan’ny ady anaty akata nitakiana fahaleovan-tena izy ireo. Nirongatra ny herisetra tany afovoan-tany, tamin’ny Janoary 1961. Nitarika ho amin’ny fanandramana hanongam-panjakana teto Luanda izany, tamin’ny Febroary. Avy eo, tamin’ny Martsa, dia nisy fifandirana momba ny karama tao amin’ny faritr’i Kongo nahantra tany avaratra. Taorian’izany, dia namono an-jatony maro tamin’ny Portogey efa niorim-ponenana teto ny Angoley. Nahatsiravina ny valy faty naterak’izany.

Nandritra ireo taona 1960, dia nipoitra ny hetsika telo lehibe nanoherana ny fanjanahan-tany: ny Hetsiky ny Vahoaka Mitaky ny Fanafahana An’i Angola, izay hetsika kominista (Movimento Popular de Libertação de Angola; MPLA), ny Vondrona Nasionaly Mitaky ny Fanafahana An’i Angola (Frente Nacional de Libertação de Angola; FNLA), ary ny Firaisana Nasionaly Mitaky ny Fahaleovan-tena Tanteraka ho An’i Angola (União Nacional para a Independência Total de Angola; UNITA).

Niteraka olana avy hatrany ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah vitsy an’isa io ady an-trano io. Nopetahan’ny fampahalalam-baovao anarana hoe “sekta manohitra ny Kristianina sady manimba ny fiaraha-monina”, izy ireo. Diso ny fomba namerenan’ny mpanao gazety izay voalaza tao amin’ny lahatsoratry ny Mifohaza!, ka nanizingizina izy ireo fa ny zava-kendren’ny Vavolombelona dia ny “hanamarina, raha tsy ny handrisika mihitsy aza, ireo asa fampihorohoroana nitranga vao haingana tany avaratry ny Provansy”. Teo ambanin’ny sarin’ny Mifohaza! iray, dia nisy fanazavana hoe “Manapoizina ny toe-tsain’ny teratany ny propangady ara-pivavahana”.

Nandritra izany fotoana izany koa, dia narahi-maso akaiky hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Narahi-maso akaiky ny taratasy vao tonga rehetra, koa voafetra ny fifandraisana tamin’ny sampan’i Portogaly, ary tena sarotra ny nahazo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaovan’ny polisy famotorana ireo naharay zavatra vita an-tsoratra tamin’ny alalan’ny paositra.

Fatra-piahiahy ny mpanjana-tany raha vao nisy fivorian’olona mihoatra ny roa ka tsy mpihavana akaiky. Koa nandray fepetra fiarovana ireo rahalahy ka nanovaova ny toeram-pivoriana, ary vitsivitsy monja no niara-nivory. Nisy 130 anefa nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 1961. Nandeha nitsidika an’ireo nanatrika ilay Fahatsiarovana ny Rahalahy Mancoca sy Filemon nony avy eo, mba hahazoana antoka fa tafody soa aman-tsara izy ireny. Nanatanjaka an’ireo rahalahiny kristianina izany fiahiany tamim-pitiavana izany.

Fotoam-pisedrana mafy

Ahafantarantsika ny amin’izay tsy maintsy natrehin’ny mpianatra ny Baiboly vaovao tamin’izany fotoana izany, ny zavatra niainan’i Silvestre Simão. Tamin’ny 1959, fony izy mbola nianatra tany an-tsekoly, dia nahazo ilay taratasy mivalona hoe “Ny Afoben’ny Helo — Fahamarinana Ara-baiboly sa Fampitahoran’ny Mpanompo Sampy?”, tamin’ny mpiara-mianatra taminy iray, izy. Hoy izy tatỳ aoriana: “Nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako ny famakiana io taratasy mivalona io. Nampianarina hatahotra ny afobe aho, kanefa raha vantany vao fantatro ny marina momba ny afobe, dia tsy nankany am-piangonana intsony aho, ary nanomboka namaky ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana.”

Tsy avy hatrany dia nasain’ny Vavolombelona hanatrika fivoriana ny olona na iza na iza nilaza fa liana, tamin’ireny fotoana feno fihenjanana ireny. Nihevitra anefa izy ireo, rehefa afaka roa taona, fa tsy nisy natahorana intsony ny nanasa an’i Silvestre hivory. Nametraka fanontaniana momba ny Sabata izy, taorian’ny fivoriana natrehiny voalohany. Nampiaiky azy ny zavatra reny fa nahita ny fahamarinana izy. Tena sarobidy taminy anefa ve ilay fahamarinana? Notsapaina ny fankasitrahany izay nianarany, ny herinandro nanaraka, tamin’ny 25 Jona 1961, tao amin’ny fivoriana natrehiny faharoa. Nisy miaramila nanao fisafoana nampiato ilay fivoriana. Nasainy nivoaka ny lehilahy rehetra, ary noveleziny tamin’ny fantsom-by mifono fanitso. Izao no tsaroan’ny rahalahy iray: “Novelezina toy ny famono biby tsy misaina izahay, eny, toy ny kisoa velezina amin’ny kibay mba ho faty, alohan’ny hivarotana azy eny an-tsena.” Mbola mitondra ny takaitra avy tamin’izany vono izany i Silvestre Simão sy ireo niaraka taminy. Nasaina nitanjozotra nankeny amin’ny kianja filalaovam-baolina iray izy ireo nony avy eo. Nisy Eoropeanina maro be nisafoaka, izay vao avy namoy ny fianakaviany tamin’ilay ady tany avaratra, teo amin’ilay kianja. Namely an’ireo rahalahy tamin-kabibiana indray ireo miaramila sy ilay vahoaka, anisan’izany ny Eoropeanina sasany.

Naondrana tao anaty kamiao avy eo i Silvestre sy ireo rahalahy hafa, ary nentina tany amin’ny fonjan’i São Paulo, izay notantanan’ny polisy miafina nalaza ratsy. Novelezina tamin-kalozana indray ireo rahalahy, ary natsipy nifanongoa tao amin’ny efitra figadrana iray. Naratra mafy sady nihosin-dra izy ireo, ka noheverina ho maty.

Noheverin’ireo manam-pahefana hoe i João Mancoca no mpitarika an’ilay antokon’olona, satria izy no nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa avy novelezina mafy izy ireo, dia nentina hovonoina ho faty i João, satria nampangaina ho nioko hanafika ny vazaha, araka ny fahazoan’ny manam-pahefana ny hevitry ny fehintsoratra iray tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana. Nanontanian’ny Rahalahy Mancoca izy ireo hoe ahoana raha hitany koa teny an-tanan’ny Eoropeanina na ny fianakaviana iray any Brezila na any Portogaly io gazety io? Nohazavainy fa misy hatraiza hatraiza io gazety io, ary ianaran’ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Nentin’ireo manam-pahefana tamin’ny fiarakodia tany an-tranon’ny fianakaviana portogey iray izay Vavolombelon’i Jehovah àry izy, mba hanamarinana izany. Rehefa hitan’izy ireo tao ilay gazety ka fantany fa, hay, nianatra azy io koa ilay fianakaviana, dia niova hevitra izy ireo ka tsy namono ny Rahalahy Mancoca, fa namerina azy tany amin’ireo rahalahy hafa tao amin’ny fonjan’i São Paulo kosa.

Tsy ny rehetra anefa no afa-po. Nony tafaverina tao amin’ny fonjan’i São Paulo izy ireo, dia nalain’ilay mpiambina ho eo “ambanin’ny fiahiany” ny Rahalahy Mancoca. Lehilahy portogey nanifinify izay io mpiambina io. Anisan’ilay “fiahiany” ny famelana ny Rahalahy Mancoca hodanihin’ny hainandro ny tolakandro manontolo, sady tsy nomeny sakafo. Avy eo, tamin’ny dimy hariva, dia naka karavasy ilay mpiambina ka noveleziny izy. Izao no tsaroan’ny Rahalahy Mancoca: “Mbola tsy nahita olona nampiasa karavasy toa azy mihitsy aho. Nilaza izy fa tsy havelany aho raha tsy maty.” Tsy nisy antra mihitsy ilay mpiambina nikaravasy tsy an-kijanona ny Rahalahy Mancoca nandritra ny adiny iray, kanefa tsy nahare naharary intsony ny Rahalahy Mancoca, tamin’ny farany. Tampoka teo, dia ta hatory mafy izy raha mbola nitohy ilay famelezana. Nino mafy ilay mpiambina izay efa reraka fa niala aina i Mancoca, koa notaritarihin’ny miaramila iray izy ka nataony teo ambany vata. Rehefa tonga ny miaramila ny alin’iny mba haka toky fa maty izy, dia nasehon’ilay miaramila azy ireo ilay vata teo ambonin’i Mancoca, ary nilazany izy ireo fa efa maty izy. Mahagaga anefa fa tsy maty izy, ary taitra be io miaramila io nahita azy velona, tao amin’ny efitra fisakafoana, telo volana tatỳ aoriana. Nitantara tamin’ny Rahalahy Mancoca ireo tsipiriany tamin’izay nitranga tamin’iny alina iny izy nony avy eo. Namonjy ny ain’ilay rahalahy ilay faniriany mafy tampoka ny hatory, fa raha tsy izany dia tena maty izy.

Afaka niaraka indray tamin’ireo rahalahy hafa ny Rahalahy Mancoca, ary nitarika fivoriana tany am-ponja izy ireo. Intelo izy ireo no nanao lahateny ampahibemaso nisy mpanatrika 300 teo ho eo, nandritra ilay nitoerany dimy volana tao amin’ny fonjan’i São Paulo. Nanatanjaka an’ireo kongregasiona tany ivelan’ny fonja ilay fitoriana tao am-ponja, satria voafonja maro naneho fahalianana tao no nandroso ka natao batisa, rehefa nivoaka ny fonja.

Nandritra ireny volana nigadrany ireny, dia afaka niaraka tamin’ireo rahalahy hafa tao am-ponja i Silvestre Simão. Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny fomba voalamina izy ireo, ka nahazo ny tanjaka ara-panahy nilainy i Silvestre. Nafindra nankany amin’ny fonja sy ny toby fiasana an-tery vozona hafa izy ireo; vao mainka feno habibiana kokoa ny namelezana azy ireo tany, ary mbola mafy kokoa ny asa an-tery vozona nampanaovina azy. Nafahana i Silvestre tamin’ny Novambra 1965, rehefa avy nigadra tany amin’ny toerana samihafa nandritra ny efa-taona. Niverina teto Luanda izy, ary niaraka tamin’ireo Vavolombelona tao izay nivory tao amin’ny faritr’i Rangel. Efa voasedra ny finoany, ka natao batisa izy tamin’ny 1967, rehefa ela ny ela. Efa tamin’ny taona 1970 vao nafahana ny hafa tany am-ponja, anisan’izany ny Rahalahy Mancoca, kanefa dia naiditra am-ponja indray.

‘Tsy hianatra ady intsony’

Nafotaka ny ady teto Angola. Milaza anefa ny Baiboly fa rehefa mianatra ny lalan’i Jehovah ny olona, dia ‘manefy ny sabany ho fangady ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka’ ka tsy ‘mianatra ady intsony’. (Isaia 2:3, 4). Inona no hataon’ireo tovolahy teto Angola?

Nanomboka nampihatra halozana tamin’izay rehetra tsy nety nampandefitra ny fialanalanany kristianina, ny fitondram-panjakana, tamin’ny Martsa 1969. Anisan’ireo voalohany nosamborina i António Gouveia sy i João Pereira teto Luanda. Nosamborina tany am-piasany ny Rahalahy Gouveia, ary natsipy tao amin’ny efitra figadrana naloto be iray. Rehefa avy nigadra 45 andro izy vao navela hovangian’ny reniny.

Anisan’ireo nosamborina tao Huambo i Fernando Gouveia sy i António Alberto ary i António Matías. Novelezina tamin-kalozana intelo isan’andro izy ireo. Na ny renin’i Fernando aza tsy nahafantatra azy intsony taorian’izany. Tamin’ny farany, dia nihalefy ilay fitondrana tamin-kalozana rehefa nanoratra taratasy ho an’ny lehiben’ny tafika ireo rahalahy, ka nampahafantatra azy momba ilay fampijaliana.

Tsaroan’i António Gouveia ny zavatra sasany nanampy azy ireo hiaritra. Indraindray dia nanafina pejy iray tamin’Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny sakafo nentiny ny reniny. “Nahatonga ny sainay hifohafoha hatrany izany, ary nanampy anay koa ho salama ara-panahy hatrany.” Hoy koa izy: “Nitory tamin’ny rindrina ny amin’izay foto-kevitra ara-baiboly tonga tao an-tsainay izahay.” Nanao vazivazy ny rahalahy sasany mba ho falifaly foana. Nanonona tamin’ny feo avo ny habetsahan’ny lalitra matin’izy ireo tao amin’ireo efitra figadrany izy ireo, toy ny hoe hilaza zava-dehibe erỳ.

Anisan’ireo nigadra teto Angola ny tovolahy enina avy tany Portogaly nirahina hanao raharaha miaramila, kanefa tsy nety nanao izany noho ny feon’ny fieritreretana. Izao no tsaroan’i David Mota, iray tamin’izy ireo: “Imbetsaka izahay no nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah. Nampiasa fomba maro samihafa ireo manam-pahefana mba hampivadika anay, ka nifantoka tamin’izay mbola tsy vita batisa taminay izy ireo. Tetikady iray naverimberin’izy ireo ny namoha anay tamin’ny misasakalina, nifidy dimy taminay, avy eo nanavaka ny iray izay nambanany tamin’ny basipoleta teo amin’ny lohany. Nolazainy fa efa voafahana, hono, ilay basipoleta, ary dia napoakany. Nodidiana hiverina hatory izahay, ary rehefa afaka antsasak’adiny, dia naverin’izy ireo indray ilay nataony teo. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izahay rehetra fa mbola velona. Tamin’ny farany, dia nanjary nanaja anay ireo manam-pahefana ary navelany hanao fivoriana tao am-ponja izahay. Akory moa ny hafalianay nahita voafonja enina natao batisa tany am-ponja!”

Na dia nilazana aza ireo rahalahy hoe rehefa tonga teo amin’ny faha-45 taonany izy ireo vao hafahana avy tao am-ponja, dia tsy voatery niandry ela be toy izany izy ireo. Na izany aza, dia fotoan-tsarotra tokoa izany fotoana izany. Nanamafy ny finoany izay nodiaviny. Loholona ao amin’ny kongregasiona ny ankamaroan’ireo rahalahy ireo, ankehitriny.

Nifarana tampoka ny fitondran’ny mpanjana-tany

Nanjera ny fitondrana tsy refesi-mandidy teto Angola ny fanonganam-panjakana tamin’ny 25 Aprily 1974. Nifarana ilay ady naharitra 13 taona nanoherana ny fanjanahan-tany, ary nanomboka nisintaka ny miaramila portogey. Najoro ny fitondrana tetezamita izay tokony haharitra folo volana, ary nanomboka niasa tamin’ny 31 Janoary 1975 io fitondrana io, kanefa tsy naharitra afa-tsy enim-bolana monja.

Nandray soa tamin’io fiovana tampoka io ny Vavolombelon’i Jehovah, teo am-boalohany. Nahazo famotsoran-keloka tamin’ny volana May ny Vavolombelon’i Jehovah 25, izay nigadra tao amin’ny fonjan’i Cabo Ledo noho ny fialanalanany. Anisan’izany izy enina mirahalahy avy tany Portogaly tsy nety niandany tamin’iza na iza tamin’ny ady, na dia tamin’ny ady tamin’ireo zanatany afrikanina aza. Inona no hataon’ireo rahalahy eoropeanina ireo rehefa nahazo ilay fahafahana tsy nampoiziny? Hoy i David Mota: “Nanatanjaka anay ny fifandraisanay akaiky tamin’i Jehovah tany am-ponja, ka nanapa-kevitra izahay enina mirahalahy ny hijanona teto Angola, ary nanomboka avy hatrany ny fanompoan’ny mpisava lalana izahay.”

Zava-baovao tamin’ireo Vavolombelona 1 500 teto Angola ilay fileferana ara-pivavahana. Tsy nisy intsony ny polisy miafina, nitsahatra ny fisamborana, ary afaka nivory tamin-kalalahana ny Vavolombelona. Nikaroka efitrano malalaka, toeram-pialam-boly, na toerana hafa nety ho omby ny Vavolombelon’i Jehovah nihanitombo isa izy ireo, nanerana an’i Luanda. Tany an-tranon’olona manokana foana mantsy no nanaovan’ireo kongregasiona 18 teto Angola ny fivoriany, talohan’izay.

Nalamina ny fivoriana manokana iray momba ny fanompoana, tao amin’ny Pavilhão do Ferrovia. Anisan’ireo rahalahy 400 nasaina avy tany amin’ny kongregasiona maromaro i José Augusto, izay anisan’ny mpianakavin’ny Betela any Portogaly ankehitriny. Izao no tsaroany: “Sambany aho vao nahita rahalahy sy anabavy maro be toy izany niara-nivory tao anatin’ny fahalalahana! Saika tsy nino izay nitranga izahay. Nientam-po avokoa ny rehetra rehefa afaka niharoharo tamin-kalalahana, ka nankafy ny fiarahana tamin’ny kongregasiona hafa.”

Ireo fifaliana ara-panahy tao anatin’ny fotoan’ny hotakotaka

Nifandrombaka fahefana ireo hetsika telo nifandrafy: ny MPLA, ny FNLA, ary ny UNITA. Nanafika an’i Luanda ny miaramilan’ireo ankolafiny nifandrafy, ka nanangana etamazaoro tao. “Teo am-boalohany, dia tifitra nahalankalana fotsiny no re”, hoy ny fitantaran’i Luis Sabino, izay vavolombelona nanatri-maso ilay zava-nitranga. “Arakaraka ny nitomboan’ny fankahalana anefa no nampiasana fitaovam-piadiana nahery vaika kokoa. Nanjary nisy tanky teny amin’ny arabe, ary nampiasaina ny bala afomanga. Trano an-jatony maro no rava, anisan’izany ny an’ireo rahalahintsika.”

Hita fa fahendrena raha nanohy nivory tany amin’ireo toerana fanaovana fianarana ny boky, ny kongregasiona. “Matetika no naato ny fivoriana rehefa nirefotra tsy lavitra ny toeram-pivoriana ny basimarovava”, hoy ny tsaroan’i Manuel Cunha. “Niondrika ny rehetra mandra-pitsahatr’ilay tifitra, ary avy eo dia nitohy ilay fandaharana. Indraindray dia novonoinay ny jiro mba tsy hanintona ny mason’ny hafa. Taorian’ny fivoriana, dia nitandrina tsara ireo rahalahy rehefa niala teo.”

Na teo aza ireo loza, dia tapa-kevitra ny hanitatra ny fanompoany ireo rahalahy. Hoy ny fanazavan’i Delucírio Oliveira: “Voarara ny asanay teo ambanin’ny fitondran’ny mpanjana-tany, koa zava-baovao tamin’ny ankamaroan’ny mpitory ny fitoriana isan-trano tamin-kalalahana. Nitari-dalana ireo mpisava lalana, ary nampirisika ny hafa hiaraka taminy. Betsaka no tonga mba hanohana ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana teny amin’ny saha.” Nitohy foana anefa ny ady nanodidina azy ireo. Hoy izy nanohy ny teniny: “Nahazatra ny nandre fifampitifirana raha mbola nanompo izahay. Indraindray dia voatery nidina ny sisin-dalana izahay mba tsy hanitsaka ra velona teo amin’ny lalanay. Indraindray koa izahay dia nahita fatin’olona teny amin’ny arabe.”

Nisy anabavy roa, ka ny iray mpisava lalana, niara-nanompo, raha nisy baomba nipoaka teny akaiky. Nitorovoka nitampify teo amin’ny rindrina iray araka izay azony natao ny anabavy iray ka nanipy hevitra ny hodiana. Nampirisika azy hanohy kelikely ilay mpisava lalana, ka nanome toky azy fa hijanona izy mirahavavy raha nitohy indray ilay fipoahan’ny baomba. Taoriana kelin’izay, tamin’iny maraina iny ihany, dia nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny mpivady iray izay nangataka ny hianatra intelo isan-kerinandro, izy mirahavavy.

Na dia tsy nilamina aza ny toe-draharaha, dia tsy nahasakana an’ireo rahalahy tsy hanao ny fivoriamben’ny fizaran-taniny voalohany tao amin’ny efitrano malalaka iray izany, tamin’ny Martsa 1975. Nohofana hanaovana an’ilay fivoriambe ny trano heva mitafo lehibe indrindra teto Luanda, dia ny Cidadela Desportiva. Ireo efa nanatrika fivoriana tsy tapaka ihany no nasaina hanatrika, mba ho fepetra fiarovana. Na izany aza, dia nahatratra 2 888 ny isan’ny mpanatrika.

Koa satria nizotra tsara ny zava-drehetra, dia nasain’ireo rahalahy hanatrika ny fivoriambe faharoa ireo olona liana sy ireo nianatra ny Baiboly. Hoy ny fitantaran’i Aníbal Magalhães: “Ny nanaitra ny sainay raha vao niditra tao amin’ilay trano heva, dia ilay foto-kevitry ny fivoriambe natao tamin’ny sora-baventy teo ambony lampihazo, nanao hoe ‘Olona Tokony Hanao Ahoana moa Ianareo. — 2 Pet. 3:11.’ Feno hipoka ilay trano heva, raha mbola tsy nanomboka akory ilay fandaharana. Diboky ny hafaliana izahay, rehefa nambara fa nisy 7 713 ny isan’ny mpanatrika. Maro no tsy nahatana ny ranomasony noho ny hafaliany. Izay hitanay dia nampiseho mazava fa nisy asa fanangonana lehibe niandry anay, ary nisaotra an’i Jehovah izahay fa narovany ka mbola velona aina soa aman-tsara hatramin’iny andro iny.”

Taorian’ny vavaka famaranana, raha mbola nanadio ilay toerana ireo rahalahy, dia rafitra indray ny fifampitifirana, ary tao amin’ilay faritra manontolo mihitsy tamin’io indray mitoraka io. Mbola nampahatsiahy azy ireo koa izany fa ‘nitoetra teo anivon’ireo tsy tia fihavanana’ izy ireo. — Sal. 120:6.

Rotidrotiky ny ady

Rotidrotiky ny ady nifanaovan’ireo ankolafiny politika telo nifandrafy i Angola, ary teto Luanda no nafotaka indrindra izany. Lehilahy amam-behivavy, ary ankizy mihitsy aza, no noterena hirotsaka ho miaramila. Nanjary hita teny amin’ny arabe ny zazalahy vao 12 taona monja nanao fanamiana, nitondra basy mamahan-tena, izay nitifirany befahatany. Nanjary tsy nahitan’ny maro tory tamin’ny alina ny firefotry ny basimarovava, ny fipoahan’ny grenady sy ny bala afomanga isan-karazany. Tafiditra tao anatin’ny fotoan’ny ady tsy nisy farany i Angola. Ho vokany, dia tanora angoley tao anatin’ny taranaka iray manontolo no notorontoronina sy teraka ary nihalehibe tao anatin’ny rivo-piainana nanjakan’ny herisetra, ka feom-basy sy baomba nipoaka no mba reny mandrakariva.

Mba hanatanjahana ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina, dia nitsidika azy ireny tsy tapaka tany an-tokantranony nandritra ny fotoana fohy ireo mpiandry ara-panahy nahatoky, rehefa nandeha niasa sy niverina avy niasa. Nojereny raha tsy nisy naninona ny rehetra, ary matetika izy ireo no namaky andinin-teny iray na roa niaraka tamin’ilay fianakaviana.

Nitaky herim-po sy fianteherana tamin’i Jehovah ny fanatrehana fivoriana sy ny fanaovana fanompoana. Matetika anefa no fiarovana tsara indrindra ny nahafantarana fa Vavolombelon’i Jehovah ny tena. Teny an-dalana hamonjy ny biraon’ny Fikambanana i Faustino da Rocha Pinto, raha tampoka teo, dia iny nisy miaramila iray nanambana azy tamin’ny basy sady nibetroka hoe: “Ho aiza ianao? Mpomba an’iza ianao? Omeo anay iny kitaponao iny!” Rehefa nosokafany ilay kitapo, dia Baiboly sy zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana fotsiny no hitany tao. Nihanalefaka avy hatrany ny fihetsik’ilay miaramila. “Hay, Vavolombelon’i Jehovah ianao! Miala tsiny indrindra. Mahazo mandeha ianao.”

Indray mandeha koa, dia nibetroka tamin’ny anabavy tanora iray toy izao ny miaramila iray: “Mpomba an’iza ianao?” Hoy ny navalin’ilay anabavy: “Tsy momba an’iza na iza aho, fa Vavolombelon’i Jehovah.” Tamin’izay, dia hoy ilay miaramila tamin’ireo namany: “Jereo io tovovavy io! Jereo tsara! Jereo ny zipony, ary jereo fa maotina tsara ny fomba fiakanjony. Tsy mba tahaka ny tovovavy hafa izy, satria Vavolombelon’i Jehovah.” Navelany hanohy ny lalany ilay anabavy, sady nampitandremana tamin-katsaram-panahy mba ho malina tsara.

Nihasarotra ny fifandraisana tamin’ireo kongregasiona, indrindra fa tamin’ireo tany amin’ny provansy, rehefa nihamafy ilay ady. Niditra an-tanàna ireo miaramila, nandroba tranon’olona, ary nandoro izay tsy nentiny. Voatery nandositra tany anaty akata ny olona an’arivony maro, anisan’izany ny Vavolombelona maro. Nisy mpanatrika ny fivoriana 300 sy mpitory 100 tao Banga, ary voatery nandao ny tranony sy nialokaloka tany anaty akata avokoa izy ireo, nandritra ny andro maromaro. Nandositra koa ireo kongregasiona tao Jamba sy Cela, ka ny ‘ain’izy ireo sisa no babony’. (Jer. 39:18). Nankany Windhoek, tatsy Namibia, ny ankamaroan’ireo Vavolombelona eoropeanina izay mbola tao Lubango.

Nila ho tsy azo natao mihitsy ny nandefa zavatra vita an-tsoratra ho an’ireny rahalahy tany anaty akata ireny. Tapaka tanteraka ny fifandraisana tamin’ny kongregasiona sasany, toa an’ireo tao Malanje, Lobito, Benguela, Gabela, Huambo, ary Lubango, nandritra ny volana maromaro.

Fotoana nampalahelo

Raha vantany vao afaka ny ziogan’ny fanjanahan-tany, dia Portogey an’arivony maro no nanomboka nandao an’i Angola. Vao mainka nilaina maika dia maika ny nandositra, arakaraka ny nielezan’ny fanjakan’i Baroa. Entana kely dia kely fotsiny no azon’ny ankamaroany nentina nandositra. Nampiseho ny fankahalana mafy ny Eoropeanina ny fanambaran’ny antoko politika iray hoe hovonoiny, hono, na dia ny metisy aza, satria nanambady fotsy hoditra ny razambeny.

Mazava ho azy fa tsy nifankahala toy izany ny rahalahintsika portogey sy angoley. Nisy fifankatiavana mafy nampifamatotra azy ireo, dia ny fifankatiavan’ny mpirahalahy. Rehefa lasa ny Portogey, dia nidika izany fa namana maro koa no lasa. Voatery nandao an’i Angola avokoa ny rahalahy portogey rehetra nitarika ny asa, tamin’ny Jona 1975. Navela teo am-pelatanan’ny rahalahy nahatoky teto an-toerana ny fanaraha-maso ny asa fitoriana sy ny fiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra. Lehilahy namelona ankohonana sy niasa manontolo andro ny ankamaroan’izy ireo. Na dia nalahelo aza izy ireo fa lasa ireo rahalahiny portogey, dia tapa-kevitra ny hanohy ilay asa izy ireo, noho ny fanampian’i Jehovah.

Nanao ahoana ny toe-draharaha natrehin’izy ireo? Tsy ela dia naharay izao hafatra nampitebiteby izao avy tamin’ny birao teto Luanda, ny sampan’i Portogaly: “Voadaroka tafondro izao ny tanàna. Voasakana ny lalana. Tapaka ny fifandraisana amin’ny tanàna hafa. Mikatona ny seranan-tsambon’i Luanda. Mihalany ny sakafo any amin’ireo fivarotana. Nanomboka ny fandrobana entana. Tsy azo atao ny mivezivezy manomboka amin’ny sivy ora alina. Mety ho voatifitra izay mbola mandeha eny amin’ny arabe aorian’izay.”

Fandrosoan’ny mpanompon’i Jehovah

Fotoana nisian’ny fandrosoana ara-panahy mbola tsy nisy toy izany io fotoan’ny fisafotofotoana izaitsizy ara-politika io. Nahatratra 3 055 ny tampon’isan’ny mpitory, ka fitomboana 68 isan-jato izany raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Nahatratra 11 490 ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana!

Tamin’ny 5 Septambra 1975, dia voaray ny vaovao nandrasana hatry ny ela. Nambaran’ny minisitry ny fitsarana tao amin’ilay fitondrana tetezamita fa “fivavahana” nekena ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no tsaroan’i João Mancoca: “Tretrika tanteraka ireo rahalahy. Mbola tsy nahita fahalalahana tanteraka hanolotra fanompoam-pivavahana an-karihary izy ireo. Toy ny hoe nosokafana nidanadana ny varavaran’ny fonja. Sambany ireo fivoriana sy fivoriamben’ny fizaran-tany vao nampahafantarina ny besinimaro. Nitondra tosika lehibe ho an’ny asa ireo fivoriamben’ny fizaran-tany nalamina tamin’ny lohataonan’ny taona 1976, ary nanamafy ny fahatapahan-kevitra hilaina amin’ireo taona ho avy.”

Fivoriamben’ny fizaran-tany dimy no nalamina, nefa nilaina ihany ny ho malina ka kongregasiona telo na efatra monja no niara-nanatrika fivoriambe iray. Nisy rahalahy telo koa voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany, ka nitsidika ireo kongregasiona nandritra ny faran’ny herinandro.

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia tsy afaka nanatrika sekoly manokana nalamin’ny Fikambanana ireo mpiandraikitra, noho ny toe-draharaha teto Angola. Koa nalamina àry ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana voalohany ho an’ny loholona, tamin’ny 19-24 May 1976. Efa nanatrika an’ilay sekoly tany Portogaly ny rahalahy roa ka nahazo fampiofanana. Nitarika an’ilay sekoly teto Luanda izy ireo nony niverina, ka i Mário P. Oliveira avy tamin’ny sampan’i Portogaly no tonga nanampy azy mirahalahy.

Nankasitraka indrindra ilay fampianarana miorina amin’ny Baiboly mba hanampiana azy ireo ‘hiandry ny ondrin’Andriamanitra’, ireo loholona 23. (1 Pet. 5:2). Mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’izany fotoana izany i Carlos Cadi, ary tsaroany hoe nanao ahoana ny herin’ilay sekoly teo amin’izy ireo: “Nanjary nanana fomba fijery vaovao momba ny fandaminan’i Jehovah ireo loholona. Hitan’ireo loholona tamin’ny alalan’ilay sekoly ny lafiny mampiavaka ny fandaminan’i Jehovah, dia ny fampianarana. Nianaran’izy ireo ny fomba hanampiana ny rahalahy ao amin’ny kongregasiona mba hampihatra ireo foto-pitsipika ara-baiboly, rehefa mamaha olana. Nampian’ilay sekoly koa ireo loholona mba hahita ny fomba handaminany tsara kokoa ny asan’ny kongregasiona, ka hampiasa amin’ny fomba feno kokoa ny fahaizan’ireo mpanampy amin’ny fanompoana izay niara-niasa taminy.”

Azo natao koa ny nanafatra Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly avy tany ivelany, noho ilay fanekena ny asantsika ho ara-dalàna. Tao anatin’ny dimy volana, dia nahazo ny gazetiny voalohany ny kongregasiona sasany. Fitahiana lehibe tokoa ny nahazo ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nisy 32 pejy feno, rehefa ela ny ela! Niditra haingana teo amin’ilay ‘varavarana lehibe novohana ho azy ireo mba hahazoany hiasa tsara’ ireo rahalahy. (1 Kor. 16:9). Niteraka olana lehibe hafa anefa ny toe-draharaha tsy nilamina teto Angola.

Nitranga tamin’ny 11 Novambra 1975, araka ny efa nikasana azy, ny fahaleovan-tena ofisialy tamin’i Portogaly. Na izany aza anefa, tsy ela dia nivadika ho ady an-trano tanteraka ny ady nifanaovan’ireo antoko politika lehibe. Naorina ny repoblika vitsivitsy nahaleo tena, ka i Luanda no tonga renivohitry ny MPLA marksista, ary i Huambo kosa no renivohitry ny UNITA sy ny FNLA nitambatra.

Niteraka fifankahalana ara-pirazanana sy ara-poko mbola tsy nisy toy izany ny fampielezan-kevitra ara-politika nifamelezan’ireo ankolafiny. Teto an-drenivohitra, dia nanjary fahita ny vonoan’olona tsy an-kiantra — eny, hatramin’ny fandoroana olona teny amin’ny arabe mihitsy aza. Matetika ny hany helok’ireo novonoina dia ny nitenenany tamin’ny fiteny nahafantarana azy ho avy tany ivelan’i Luanda. Niteraka fihenjanana izay nahatonga fifindra-monina goavana io fankahalana vahiny io, satria nandositra niverina nankany amin’ny toerana niaviany ny olona avy tany avaratra sy avy tany atsimo. Be herim-po anefa ny rahalahy sasany, ka nijanona tao amin’ny faritra tsy niaviany mba hikarakarana izay nilain’ireo rahalahiny ara-panahy.

“Ho ela velona anie i Jehovah!”

Nenjehina tamin-kalozana indray ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampanantsoina teo anatrehan’ny komitim-pokontany ny Vavolombelona teto Luanda, ka noterena hividy karatry ny antoko politika. Tao anatin’izany toe-draharaha nafana dia nafana izany, ny Birao Politikan’ny Komity Foiben’ny MPLA dia niampanga ny Vavolombelona ho nambosy ny olona hikomy tamin’ny Fanjakana, tsy hanaja ny sainam-pirenena, ary tsy hanaiky hanao raharaha miaramila. Tsy nohenoina akory ny fanazavana naroson’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tamin’ny Martsa 1976, dia nandefa zavatra vita an-tsoratra tamin’ny sambo nanketo Angola ny tany Portogaly. Nisy Baiboly 3 000, boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay niisa 17 000, boky Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray niisa 3 000, ary koa gazety, tao amin’ilay entana. Nalain’ny fanjakana avokoa izany rehetra izany, ka nodorany.

Tamin’ny 27 May 1976, dia nandefa filazana tamin’ny alalan’ny radio ny fitondram-panjakana ka nanome toromarika ny komitim-pokontany sy ny biraom-panjakana rehetra mba hanara-maso akaiky ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandefa filazana isan’andro tao amin’ny radiony manokana ny Eglizy Katolika hoe nitady hanongam-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy navela hilahatra sakafo ny Vavolombelona. Nisy vahoaka romotra nivorivory teo ivelan’ny toerana nanaovan’ny kongregasiona fivoriana. Nilana vaniny ny ankizy tany an-tsekoly. Ny zanak’i José dos Santos Cardoso sy i Brígida vadiny dia noterena mafy hamerimberina teny faneva politika, hanao ny hiram-pirenena, ary hiantsoantso hoe “Aongany i Jehovah”. Notevatevaina izy ireo rehefa tsy nety nanao izany. Tampoka teo, dia niteny i José, zanany, izay sivy taona tamin’izay fotoana izay, ka nanao hoe: “Eny àry fa hiteny aho hoe ‘Ho ela velona anie!’ ” Niandry avokoa ny rehetra. Farany, dia niantsoantso ilay zazalahy kely hoe: “Ho ela velona anie i Jehovah!” Tsy azon’ireo olona teo akory izay nolazain’i José kely, fa avy hatrany dia niara-niredona izy ireo hoe: “Ho ela velona anie!”

Tao amin’ny “lafaoro”

Tapa-kevitra ny hanery ny Vavolombelona hiditra tao amin’ny tafika ilay antoko nitondra, ka vao mainka nanenjika azy ireo tamin-kabibiana.

Tamin’ny 17 Febroary 1977, dia niezaka hanazava ny fialanalanana notanany i Artur Wanakambi, rahalahy be zotom-po tao amin’ny Provansin’i Huíla, kanefa tsy nahomby. Nasehoseho teny amin’ny arabe ny tenany mbamin’ny rahalahy telo hafa, rehefa nentina nankany am-ponja. Nasaina namely azy ireo ny mpitazana, anisan’izany ny mpamafa lalana. Nankany am-ponja ny vadin’ny rahalahy telo nanambady ny ampitson’iny, mba hahafantarana izay nasiana ny vadiny. Niandry ela be ireo anabavy ireo, ary avy eo dia nokaravasina tsy nisy indrafo, ka nanjary mangamangana sy nivoa-dra. Naiditra tao amin’ilay fonja nisy ny vadiny izy ireo ny tolakandron’iny.

Notantarain’ny Rahalahy Teles toy izao izay nitranga tamin’ny rahalahy hafa maromaro naiditra am-ponja, folo andro taorian’izay: “Nisy 35 izahay no natao tao amin’ny ‘lafaoro’, izay efitra iray nirefy fito metatra ny lavany ary telo metatra ny sakany sy ny haavony. Rihibato nisy tanjany vy ny valin-drihan’ilay efitra, ary nisy lavaka kely roa nidiran’ny rivotra teo, lavaka kely tsy tafiditry ny tanana akory. Fizaran-taona nafana indrindra tamin’izay, ary tena lafaoro ara-bakiteny ilay efitra figadrana. Koa satria tapa-kevitra ny hamono anay izy ireo, dia notapenany ireo lavaka roa ireo.

Tamin’ny andro fahefatra, dia nitalaho tamin’i Jehovah izahay mba hanomezany anay ny hery hahazakana ilay hafanam-be. Tsaroanay ireo tovolahy telo nahatoky tamin’ny andron’i Daniela natsipy tao amin’ilay lafaoro nisy afo mirehitra. Ny ampitson’iny, tokony ho tamin’ny telo ora maraina, dia nisy zavatra nidona mafy teo am-baravarana, ary dia nisokatra ilay izy. Nahatsiaro maivamaivana erỳ izahay afaka nifoka rivotra madio! Hay, ilay mpiambina ny fonja ilay niditra teo. Mbola rendremana ihany izy nanokatra an’ilay varavarana ary avy eo dia nitambotsotra. Rehefa afaka folo minitra teo ho eo, dia nitsangana ilay mpiambina, ka nanidy ilay varavarana, tsy niteny tsy nivolana. Nisaotra an’i Jehovah izahay noho iny fotoana fohy sarobidy nahazoanay rivotra madio iny.

Andro maromaro taorian’izay, dia nisy rahalahy fito hafa natsipy tao amin’ilay nisy anay. Tsy nisy toerana azo nipetrahana intsony. Novelezina imbetsaka izahay. Nihanafana tao anatin’ilay efitra, ary namofona be ny hoditra nitsovaka noho ny fanaviana sy ny ratra avy tamin’ireo famelezana anay.

Ny 23 Martsa, dia nankalaza ny Fahatsiarovana izahay, na dia lahateny fotsiny aza ilay izy fa tsy nisy marika. Nisy 45 izahay tamin’izay fotoana izay, tamin’ny fitambarany. Nisy taminay nitoetra 52 andro tao amin’ilay ‘lafaoro’, kanefa tsy maty.”

Rehefa nesorina tao amin’ilay “lafaoro” izy ireo, dia nalefa tany amin’ny toby fiasana tao Sakassange, tany amin’ny 1 300 kilaometatra any amin’ny provansin’i Moxico, any atsinanana.

Nanjary “ara-dalàna” ny fanenjehana

Tamin’ny 8 Martsa 1978, dia nambaran’ilay Birao Politikan’ny Komity Foiben’ny MPLA fa tsy ara-dalàna “ilay fiangonana hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’ ”, ka norarany. Nalefa intelo isan’andro tao amin’ny radion’i Luanda ilay filazana, mba ho ren’ny besinimaro tsara. Navoaka tamin’ny teny portogey aloha ny didy voalohany, kanefa mba hahazoana antoka fa ho ren’ny rehetra ilay vaovao, dia nalefa tamin’ny teny chokwe, kikongo, kimbundu, ary umbundu koa ilay filazana, nandritra ny herinandro. Tamin’ny farany, dia navoaka tao amin’ny Jornal de Angola, gazetin’ilay antoko, ilay didy, tamin’ny 14 Martsa 1978. Raha ny marina, dia natao ho “ara-dalàna” fotsiny tamin’ny alalan’ilay fandrarana, ilay fitondrana tamin-kalozana efa natomboka.

Nihanitombo ny fiampangana nataon’ny Fikambanana Miaro ny Vahoaka (ODP). Vavolombelon’i Jehovah maro no nosamborina ka naiditra am-ponja, nefa tsy nandalo fitsarana akory. Tonga tampotampoka tany amin’ireo orinasa nanerana an’i Luanda ny manam-pahefana. Tao amin’ny orinasa fanamboarana valizy tao Malas Onil, dia Vavolombelona 14 no nosamborina. Tao amin’ny tanànan’i Lubango, dia 13 no nosamborina. Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nisy tatitra voaray nanamarina fa 50 no nosamborina tao Ndalatando. Herinandro monja taorian’ilay fandrarana, dia rahalahy sy anabavy 150, fara fahakeliny, no naiditra am-ponja.

Nanao jadona fotsiny ny tany amin’ny toeram-piasana ka nandroaka ny Vavolombelona tamin’ny asany. Tsy nasiana fiheverana izay nety ho fitondran-tena fakan-tahaka, na fahaizana, na zava-bita nandritra ny taona maro. Raha ny marina, dia tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny toe-karen’i Angola, ny sasany tamin’ireo noroahina tamin’ny asany.

Nosamborina koa ny vehivavy. Nahita an’i Emília Pereira teo anoloan’ny tranony ny miaramila manamboninahitra iray ary nanontany azy hoe nahoana izy no tsy anisan’ny miaramila. Rehefa namaly i Emília hoe tsy tiany izany mandray anjara amin’ny famonoana olona na fandatsahan-dra izany, dia takatr’ilay manamboninahitra fa Vavolombelona izy. Nony nanaiky i Emília hoe Vavolombelona ny tenany, dia nasaina niditra tao aoriana tamin’ny kamiao iray niandry teo izy. Tonga nijery izay nitranga ny zandriny vavy roa, ka natosika ho ao amin’ilay kamiao koa. Nody tao an-trano tamin’izay fotoana izay ny rainy. Nodidian’ilay manamboninahitra hiditra tao amin’ilay kamiao koa izy. Rehefa nadiva hanainga izy ireo, dia nanontany izay nitranga ny rahalahy iray nonina teny akaiky. Noterena hiditra tao amin’ilay kamiao koa izy io.

Nentina tany am-ponja izy ireo, ka naiditra tao amin’ny faritra ho an’ny vehivavy ireo anabavy. Isan-kariva, dia nitady hametaveta an’ireo anabavy tanora ireo ny manamboninahitra, kanefa nifamihina izy telo mirahavavy, nitomany, ary nivavaka tamin’ny feo avo. Nampandamòka ny fikasan-dratsin’ireo miaramila ny fihetsik’izy ireo, ka tsy voasavika izy ireo.

Voasedra mafy koa ireo rahalahy tao amin’ny provansin’i Malanje. Maty i José António Bartolomeu, 74 taona, noho ny fampijaliana azy mafy. Osa aoka izany i Domingas António rehefa avy nosamborina sy novelezina imbetsaka, ka maty rehefa voan’ny tazomoka. Nomena poizina i Manuel Ribeiro ka maty, noho izy nanoratra taratasy ho an’ny fianakaviany, fony tao am-ponja.

Herinandro taorian’ilay fandrarana, dia nisy fivoriana natao niaraka tamin’ireo loholona avy tany amin’ny kongregasiona rehetra teto Luanda. Nomena fampaherezana sy tari-dalana avy amin’ny Soratra Masina mahakasika ny asany amin’ny hoavy izy ireo, ary nampitainy tamin’ireo kongregasiona izany. Vao mainka nanamafy ny fahatapahan-keviny ny fandinihana ilay andinin-teny ho an’ny taona 1978, manao hoe: “Tsy hahaleo anao [ireny], satria momba anao hamonjy anao Aho [Jehovah]”. — Jer. 1:19.

Fangatahana ny hisalovanan’ny mpitondra fanjakana

Tamin’ny 21 Martsa 1978, dia nandefa fangatahana tany amin’ny Birao Politikan’ny MPLA ireo rahalahy telo nitantan-draharaha tao amin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola, ka niangavy ny hamaritan’ny fitsarana ny atao hoe fandikan-dalàna sy ny hampitsaharana ny fampidirana am-ponja tsy ara-dalàna ny Vavolombelona. Nalefa tany amin’ny prezidàn’ny repoblika sy ny praiminisitra, ary koa tany amin’ny minisitry ny fiarovana, ny fitsarana, ny fampianarana sy ny kolontsaina, ny kopian’io taratasy io. Tsy nahazoana valiny ilay taratasy.

Nanaraka ny ohatry ny apostoly Paoly ireo rahalahy ka nampiakatra ilay raharaha tany amin’ny fahefana ambony indrindra teto Angola. (Asa. 25:11). Ny sampan’i Portogaly no nandefa io taratasy io. Nanaovana fangatahana tamim-panajana ny prezidàn’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Angola mba handinika ny filazana an-tsoratra momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hihaino ny fitarainan’izy ireo. Nangatahina koa ny hamotopotoran’ireo fitsarana ny raharahan’ny Vavolombelona tsirairay nigadra. Tamin’io indray mitoraka io, dia nahazo valin-taratasy ny sampana tany Portogaly, ka nilazana fa hofotorana ny amin’ilay raharaha.

Tohina lalina nahita an’ireo rahalahy tapa-kevitra mafy

Mbola nafotaka ihany ny ady an-trano teto Angola, koa vitsy ny mpitsidika tonga avy tany ivelany. Naharay hafatra anefa ny komity niandraikitra an’i Angola, tamin’ny 1979, fa ho avy amin’ny Aogositra i Albert Olih, mpiandraikitra avy tao amin’ny sampan’i Nizeria. Akory moa ny hafalian’ireo rahalahy!

Hoy ny Rahalahy Olih: “Toy ny hoe tao amin’ny toby miaramila no fiheverako ny tenako, nandritra ilay herinandro manontolo. Izay rehetra nojerena dia nisy miaramila nitam-piadiana avokoa.” Tsy nahita tory izy tamin’ny alina noho ny fifampitifirana teny amin’ny arabe.

Nahita fiovana haingana ny Vavolombelona teto Angola, nandritra ireo taona talohan’izay. Nisy fitomboana 266 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory, nanomboka tamin’ny 1973, raha mbola tao anatin’ny fanjanahan-tany i Angola, ka hatramin’ny 1976. Nihamafy ny fanenjehana nony avy eo tamin’ny 1977, ary norarana ny asa tamin’ny 1978, ka tsy nisy ny fitomboana. Somary vao haingana ihany no nanaovana batisa ny ankamaroan’ny Vavolombelona teto Angola — nisy 1 000 no natao batisa tamin’ny 1975 fotsiny. Nisy 31 ny kongregasiona, kanefa maro no tsy nisy loholona. Nanjary tsy voalamina ny olana lehibe sy ny fahalotoam-pitondran-tena sasany, vokatry ny tsy nisian’ny mpiandry ara-panahy niahy tamim-pitiavana. Tany amin’ny toby fanasaziana ny kongregasiona iray manontolo, toy ny tao Malanje sy Waku Kungo ary Ndalatando.

Nony tonga teto Angola ny Rahalahy Olih, dia nomena lisitra lava be momba ny lafin-javatra nilaina hodinihina. Nodinihina ireo fomba nety hahafahan’ny Vavolombelona teto an-toerana hanohy ny fanompoany, tao anatin’ny toe-draharaha nisy tamin’izany fotoana izany. Nomena toromarika ireo rahalahy hoe ahoana no fomba hanontana zavatra vita an-tsoratra, na dia tsy nisy firy aza ny taratasy. Nodinihina koa ny amin’ny nilana zavatra vita an-tsoratra bebe kokoa tamin’ny fiteny teto an-toerana, ary mazava ho azy fa nitaky fotoana ny hahitana sy ny hampiofanana mpandika teny mahay.

Nasiana fiheverana koa ireo olana tany amin’ireo kongregasiona. Nantitranterin’ny Rahalahy Olih fa tsy maintsy niaina nifanaraka tamin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly ny rehetra, anisan’izany ny loholona. Tsy nisy tokony hihevitra hoe tsy nila torohevitra ny tenany. Novaliana ireo fanontaniana momba ny fomba hahafenoana fepetra ho amin’ny batisa, ny fisoratam-panambadiana, sy ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nankasitrahan’ireo rahalahy angoley ny fandaharana nataon’ny Fikambanana mba hahazoan’izy ireo fitarihan-dalana araka ny Soratra Masina, tamin’ny alalan’io rahalahy za-draharaha io.

Nandritra ny fitsidihan’ny Rahalahy Olih, dia niara-nivory tamin’ireo loholona avy teto Luanda sy ireo izay tonga avy tany amin’ny faritra hafa, izy. Tonga tsirairay izy ireo nanomboka tamin’ny 10.00 ora maraina, mba tsy hahasarika ny sain’ny olona ho amin’ilay toeram-pivoriana. Talohan’ny nanombohan’ilay fivoriana tamin’ny 7.00 hariva anefa, dia novana indroa ilay toerana, satria toa nisy nanao andry maso. Nony tonga tao amin’ilay toerana fahatelo ny Rahalahy Olih, dia loholona 47 nipetraka teo an-tokotany no niandry azy. Nanofahofa tanana mangina fotsiny ireo rahalahy, ho fankasitrahana ny firarian-tsoa nampitainy avy tamin’ny fianakavian’ny Betela tatsy Nizeria. Fanazavana ara-baiboly momba ny asan’ny loholona ilay lahateny nataony nandritra ny adiny iray, ka nantitranteriny tamin’izany fa nila loholona maro kokoa ny kongregasiona kristianina, ary nosoritany ny andraikitry ny loholona. Taorian’ilay lahateny, dia nametraka fanontaniana nandritra ny adiny roa ireo rahalahy, izay tsy maintsy nandeha nony avy eo mba ho tafody soa aman-tsara, raha mbola tsy tonga ny ora tsy nahazoana nivezivezy tamin’ny alina.

Inona no tsapan’ny Rahalahy Olih momba ilay herinandro niarahany tamin’ireo rahalahy angoley? “Tena nandray soa be dia be aho. Nampahery ahy tokoa ny nahita fa tapa-kevitra mafy ny hanompo an’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavy, na dia teo aza ny zava-tsarotra natrehiny. Rehefa nandao an’i Angola aho, dia nivavaka anakampo ary nanganohano ny ranomasoko, noho ny amin’ireo rahalahy ireo, izay, na dia mijaly aza, dia mitsiky, noho ilay fanantenana kanto ananany.”

Fitsidihana tohin’ilay teo aloha

Ny taona nanaraka ny fitsidihan’ny Rahalahy Olih, dia nandefa an’i Albert Olugbebi, izay avy tao amin’ny sampan’i Nizeria koa, ny Fitambara-mpitantana, mba hitsidika an’ireo rahalahy teto Angola. Nanoro hevitra izy ny amin’ny hanaovana ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ho an’ireo mpisava lalana maharitra 50. Nampirisihiny koa ireo rahalahy hanandrana hanao fivoriamben’ny fizaran-tany isaky ny enim-bolana, saingy hoferana fotsiny ny isan’ny mpanatrika.

Nanao fivoriana telo niaraka tamin’ireo loholona mbamin’ireo rahalahy niantsoroka andraikitra tany amin’ny kongregasiona tsy nisy loholona, ny Rahalahy Olugbebi. Nisy 102 ny mpanatrika. Nahazo torohevitra araka ny Soratra Masina izy ireo momba ny hoe tokony hanandratra ny foto-pitsipika ara-baiboly sy ho fianaran’ny ondry ny loholona, fa tsy hanjakazaka eo aminy. (1 Pet. 5:3). Novaliana koa ireo fanontaniana momba ny fomba harahina rehefa hanolotra loholona tao amin’ny kongregasiona mbola tsy nisy loholona.

Anisan’ireo nanatrika an’io fivoriana io i Silvestre Simão, izay efa voasedra finoana nandritra ny efa ho efa-taona tany am-ponja sy tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona. Efa loholona nandritra ny taona maromaro izy rehefa nanankinana andraikitra lehibe kokoa ka notendrena ho mpiandraikitra ny fizaran-tany, rehefa noterena handao an’i Angola ireo rahalahy eoropeanina, teo antenatenan’ireo taona 1970. Nilaina koa izao ny mpiandraikitra ny distrika, satria hisy fivoriamben’ny fizaran-tany isaky ny enim-bolana. Nanan-janaka enina sady nanana andraikitra tamin’ny famelomana ny ankohonany ny Rahalahy Simão. Na izany aza, dia nanaiky an’io fanendrena vaovao io izy. Tena fakan-tahaka tokoa ny fomba niantsorohany an’izany, nandritra ny 20 taona lasa. Anisan’ny Komitin’ny Sampana koa izy ankehitriny.

Rehefa namarana ny fitsidihany ny Rahalahy Olugbebi, dia nanao tatitra zava-nitranga nampahery: Toa nihalefy ny fanenjehana tamin-kabibiana an’ireo ampy taona hanao raharaha miaramila, na dia mbola nila ny ho malina ihany aza ny Vavolombelona rehefa nivory sy nitory. Marina fa teo anelanelan’ny 150 sy 200 ny isan’ny rahalahy mbola tany am-ponja na tany amin’ny toby fanasaziana tamin’izany fotoana izany, kanefa nihena ho 30 izy ireo, tamin’ny Martsa 1982.

Zava-tsarotra ny fizarana sakafo ara-panahy

Laharam-pahamehana ny famatsiana sakafo ara-panahy tsy tapaka, nandritra ilay fandrarana. Matetika no nisetrana loza lehibe izany.

Voalohany indrindra aloha, dia tena sarotra ny nahazo taratasy nanaovana kopia Ny Tilikambo Fiambenana. Nilaina ny fahazoan-dalana avy tamin’ny fitondram-panjakana mba hividianana ireo taratasy. Nisy maherin’ny 3 000 ny isan’ny mpitory, kanefa nisy fotoana tsy nahavitana lahatsoratra fianarana afa-tsy 800 ka hatramin’ny 1 000 monja, noho ny tsy fisian’ny taratasy firy. Na izany aza, dia nampiasa milina fanontam-pirinty kely ireo rahalahy, ka nahavita boky kely nisy fonony malefaka, toy ilay hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.

Nisetra loza lehibe ho an’ny tenany i Fernando Figueiredo sy i Francisco João Manuel, rehefa nanaiky an’ilay fanendrena hanao kopia zavatra vita an-tsoratra. Feno risi-po izy mirahalahy ireo, ary nahita toerana vaovao azony nanitarana ilay fanaovana kopia. Indraindray dia voatery novana ilay toerana mba ho fiarovana. Natao tao amin’ny efitra iray tsy namoaka feo, tsy nisy varavarankely na fidiran’ny rivotra, ilay milina fanaovana kopia, tany amin’ny toerana sasany, ka vao mainka nanasarotra kokoa ny fanaovana ilay asa izany. Tao amin’ny efitra iray anila, dia nandahatra sy nanambatra ny pejin’ireo gazety ny mpiasa an-tsitrapo hafa. Tsy maintsy vitany ny nandahatra sy ny nanambatra ary ny namono an’ireo gazety mba ho azo zaraina ny alin’iny ihany. Tsy maintsy nesorina izay nety ho porofon’ny niasany teo, mba tsy hisy zavatra hanintona ny saina. Rehefa nitombo ny isan’ny gazety navoaka, dia milina roa fanaovana kopia no niara-nampiasaina tao amin’ilay “lakozia”, na ilay toerana nanomanana sakafo ara-panahy tao amin’ny zavatra vita an-tsoratra. Nisy ekipa iray niasa isan’andro, nitendry ny modely tamin’ny masinina, nitsara ny tsipelin-teny, nanao ireo kopia, nandahatra sy nanambatra ary nanatitra ireo gazety tany amin’ny kongregasiona.

Iraka no tsy maintsy nanatitra ny zavatra vita an-tsoratra tany amin’ireo kongregasiona niparitaka tany ivelan’i Luanda. Nampidi-doza io asan’ny iraka io. Izao no tantarain’ny rahalahy iray izay anisan’ireo iraka: “Volana vitsivitsy taorian’ny nilazana ilay fandrarana tamin’ny fomba ofisialy, dia nankany amin’ny provansin’i Benguela aho noho ny asa fivelomako. Nanome ahy zavatra vita an-tsoratra tokony homena an’ireo kongregasiona tao Lobito sy Benguela, ny biraon’ny Fikambanana teto an-toerana. Tsy nisy fantatro ireo rahalahy tany amin’ireo tanàna ireo. Ny hany fomba hifandraisako tamin’izy ireo dia tamin’ny alalan’ny nomeraon’ny telefaonina iray izay hiantsoana loholona iray tao Benguela. Mba ho fiarovana, dia ilay anarana hoe Fianakavian’i Isaia no hany fomba hifankahalalanay.

Nony tonga tao Benguela aho, dia toa nisosa tsara ny zava-drehetra. Fanao nahazatra ny nisava ny olona teo amin’ny seranam-piaramanidina, kanefa tsy nosavana aho, noho ny asako. Tsy nokasihina ilay fonosan’entana nentiko. Raha vantany vao tonga tao an-tanàna aho, dia niantso an-telefaonina avy hatrany an’ireo rahalahy, mba hakany ilay entana teny amiko. Nilaza ho tsy dia salama ilay rahalahy niresaka tamiko, kanefa nampanantena ny handefa olona haka an’ilay entana tao amin’ny hotely natoriako izy. Noho ny antony tsy fantatra, dia tsy nisy tonga nitady an’ilay entana nandritra ny efatra andro nijanonako tao amin’ilay hotely, na dia niantso an-telefaonina an’ilay rahalahy isan’andro aza aho.

Tonga ny andro niaingako, ka tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nitondra ilay entana niverina niaraka tamiko aho. Nony tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina izahay, dia nanizingizina ny lehiben’ny delegasiona niarahako hoe tokony hosavana izahay rehetra tao amin’ilay delegasionany mbamin’ny entanay, mba hanomezana ohatra ho an’ny mpandeha hafa. Safidy roa monja ny teo anoloako: 1) hanipy an’ilay entana tao amin’ny fanariam-pako, na 2) hihazona an’ilay izy ka ho voasambotra.

Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary dia tonga tao an-tsaiko ny Ohabolana 29:25, manao hoe: ‘Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.’ Nanapa-kevitra ny hiatrika ilay toe-javatra aho, satria ho verivery foana ilay sakafo ara-panahy be dia be raha nariana.

Nankeo amin’ny vody laharana aho mba tsy hiteraka korontana be loatra rehefa ho hitan’ny polisy ireo zavatra vita an-tsoratra sy gazety. Olona roa sisa no tokony hosavana, nony injay reko nisy niteny hoe: ‘Aza fady kely fa ity misy lehilahy iray maniry hifandray amin’ny anankiray amin’ilay delegasiona avy any Luanda, momba izany entana izany, hono.’ Nony reko izany, dia hoy aho anakampo: ‘Nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataoko. Hitako mihitsy izao ny fahatanterahan’ny Isaia 59:1, manao hoe: “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy”’, sady niolomay nivoaka aho. Nony tonga teo amin’ilay rahalahy aho, dia tsy nanam-potoana nilazana afa-tsy hoe Fianakavian’i Isaia. Namaly izy ary nandray ilay entana. Tsy maintsy niverina haingana aho, satria nadiva hanainga ny fiaramanidina, koa tsy nanam-potoana niresahana tamin’ilay rahalahy akory aho. Eny, Jehovah no ‘famonjena antsika amin’ny andro fahoriana’.” — Isaia 33:2.

Fikarakarana ny ondry, na teo aza ny loza

Nanohy nijinja ain’olona teto Angola ny ady — ilay mpitaingina ny soavaly menan’ny Apokalypsy. (Apok. 6:4). Voadaroka baomba ny tanàna sy ny orinasa, potiky ny vanja milevina ny lalana, napoaka tamin’ny dinamita ny tetezana, potika ny famatsian-drano, ary notafihina ireo vohitra. Nanjary zava-niseho isan’andro ny famonoana sivily tamin-kabibiana. Potika ny voly, ary nandositra nankany an-tanàn-dehibe ny mpamboly. Nirohotra nanketo Luanda ny olona nitsoa-ponenana noho ilay ady. Nanjary sarotra tokoa ny nahita izay nohanina isan’andro, satria voafetra ny sakafo notsinjaraina ary nahazo vahana ny varo-maizina. Na dia nampamoy fo aza ny tarehin-javatra nisy azy ireo, dia tafavoaka velona ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo nifanampy tamim-pitiavana.

Nandritra io fotoana feno loza io, dia nanao vivery ny ainy i Rui Gonçalves sy i Hélder Silva ary ny hafa mba hitsidihana an’ireo kongregasiona niparitaka nanerana an’i Angola. Izao no nosoratan’ny Rahalahy Gonçalves, rehefa nilazalaza ny fomba tsy maintsy nandaminana ny fitsidihana toy izany izy: “Sambany tamin’ny May 1982 vao nahazo fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny tao Tombua. Nanomboka tamin’ny 10.00 maraina no nahatongavan’ireo rahalahy teo amin’ilay toeram-pivoriana, ka nifanelanelana tsara araka ny efa nandaharana azy izany fahatongavany izany. Niandry tamim-panginana izy ireo. Nanara-maso ny zava-nitranga rehetra tao an-tanàna ny ODP [Fikambanana Fiarovana ny Vahoaka] tamin’izay fotoana izay. Efa maizina ny andro vao tonga aho, rehefa afaka adiny 11, izany hoe tamin’ny 9.00 alina. Natomboka ny fivoriana rehefa afaka antsasak’adiny, ary naharitra hatramin’ny 4.40 maraina ilay izy.”

Nanambady aman-janaka ny ankamaroan’ireo nanao ny asan’ny fizaran-tany. Nanao araka izay fara heriny anefa izy ireo mba hikarakarana ny tombontsoa ara-panahin’ireo kongregasiona. Nanazava ny fitsidihana nahazatra nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny iray tamin’ireo rahalahy ireo, izay anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny. Hoy izy: “Araka ny fandaharam-potoana, dia tokony hotsidihina nandritra ny herinandro ny kongregasiona tsirairay. Nanomboka ny alatsinainy, fa tsy ny talata, anefa ny fitsidihana, satria tsy afaka niara-nivory ny kongregasiona iray manontolo. Natao isaky ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ny fitsidihana. Fianarana ny Boky maromaro no notsidihina tao anatin’ny takariva iray ihany, tany amin’ireo kongregasiona lehibe. Natao nisesy ireo ora nanaovana ireo fivoriana, mba hahafahan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany hitsidika ny Fianarana ny Boky tsirairay. Naverimberiny ilay fandaharana mba handraisan’ny tsirairay soa. Koa nanao ny lahateniny tsirairay im-7 ka hatramin’ny in-21 àry izy, tao anatin’ilay herinandro. Feno zavatra natao ilay herinandro, sady nandreraka, kanefa naneho fikirizana tamin’ny fampaherezana ny kongregasiona ireo rahalahy.”

Tsaroan’i Rui Gonçalves tsara ny dia nampitebiteby iray, fony izy nankany amin’ny tanànan’i Cubal, tamin’ny Janoary 1983. Saika maty izy tamin’izay. Hoy izy: “Ny hany fomba nitsidihana an’io kongregasiona io dia ny niara-dia tamin’ny filaharana fiaran’ny miaramila, mba hahazoana fiarovana. Nandinika tamim-pitandremana ilay raharaha ny miaramila, ka nanome lalana an’ireo fiarakodia 35 handeha. Nitaingina ny fiaran’ny Rahalahy Godinho izahay, ary ilay fiarany no fahatelo tamin’ny fiarakodia enina tafara-dalana. Vao nandeha adiny roa monja izahay dia notifirin’ny mpiady anaty akata tamin’ny bala afomanga, ary potika ny kamiao voalohan’ny miaramila. Vetivety dia iny indray ny bala afomanga faharoa, izay namotika ny fiarakodia faharoa. Voan’ny baomba roa ny fiaranay, saingy tsy nipoaka. Raha mbola nandeha ihany ilay fiara, dia nasain’ny Rahalahy Godinho nitsambikina ny rehetra. Raha iny nikorapaka namonjy fialofana tao anaty akata iny aho, dia voatifitry ny bala ny sofiko havia, izay saika rombina tanteraka, ary dia torana aho.”

Iny izy efa ho torana iny, dia hitany fa nenjehin’ny mpiady anaty akata telo ireo rahalahy hafa, kanefa afa-nandositra tany anaty ala ihany. Nanohy ny teniny toy izao ny Rahalahy Gonçalves: “Rehefa nahatsiaro tena aho, dia nihosin-dra ny lohako. Nandady niverina teo amin’ny arabe aho nony afaka ora maromaro. Hitan’ny andia-miaramila iray aho, nomeny fitsaboana vonjimaika, ary nentiny tany amin’ny hopitaly tao Benguela.” Fantany tatỳ aoriana fa kilan’ny afo na potika tamin’ny fomba hafa ireo fiarakodia rehetra niara-dia. Olona 12 tao amin’ireo fiarakodia ireo no maty, ary 11 no voan’ny bala ka naratra mafy. Ireo rahalahy niaraka tamin’ny Rahalahy Gonçalves ihany no tsy voan’ny bala. Marina fa saika rombina tanteraka ny sofin’ny Rahalahy Gonçalves, ary very ny entany sasany, kanefa hoy izy namarana ny fitantarany: “Nisaotra an’i Jehovah tamin’ny fonay rehetra izahay.”

Fizarana ilay rano manome fiainana

Tsy nihevitra afa-tsy izay hahavelomany ny ankamaroan’ny Angoley tamin’izany fotoana izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dodona ny hampiely ny “vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara kokoa” nanerana an’ity faritany midadasika ity. (Isaia 52:7, NW ). Tamin’ny fomba ahoana no nanatontosany io asa io?

Nohazavain’ny mpisava lalana iray teto Luanda fa niara-nandeha nanompo izy mivady mbamin’ny zanany vavy kely. Niarahaba ny tompon-trano izy ireo, ary avy eo dia nangataka rano hosotroin’ilay zanany vavy kely. Raha nanome rano ilay tompon-trano, dia nilazany fa nahafantatra karazana rano hitondra soa be lavitra noho ilay rano mangatsiaka nomeny tamin-katsaram-panahy ho an’ilay zanany vavy, izy ireo. Raha liana ta hahafantatra ilay olona, dia nanontany hoe: ‘Rano inona izany?’ Nohazavain’izy telo mianaka kely tamin’izay ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanantenana fiainana mandrakizay. — Jaona 4:7-15.

Tsy nitondra kitapo na Baiboly na zavatra vita an-tsoratra izy ireo, rehefa nanompo. Raha nanana Baiboly anefa ilay tompon-trano ka naniry hamaky momba ireo zavatra ireo, dia nampiasainy ny Baibolin’ilay tompon-trano, mba hanohizana ilay resaka. Raha liana ilay olona, dia notsidihiny indray. Afaka nahita olona liana ny Vavolombelona, rehefa malina toy izany tamin’ny tari-dresaka nampiasainy, ary nahazo fitahiana ny kongregasiona satria nitombo tsy an-kijanona.

Lehilahin’Andriamanitra

Nandre ny vaovao tsara koa ny olona tany amin’ny faritra mitokana, hatrany amin’ny faritr’i Gambos, any akaikin’ny sisin-tanin’i Namibia, noho ny ezaka nataon’i Tchande Cuituna. Tatsy Rhodezia tamin’izany fotoana izany no nandrenesany voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Niasa elaela tany amin’ny toeram-pitrandrahana tatsy Afrika Atsimo izy, ary avy eo dia nody ka nifantoka tamin’ny fiompiana omby. Niverimberina nankatsy Afrika Atsimo izy mba hahazoana zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah, ary natao batisa izy tamin’ny diany iray, tamin’ny 1961. Taorian’izany izy dia nampiely tamin-jotom-po ny vaovao tsara tamin’ny mpiray foko taminy.

Nitondra rano sy sakafo ary zavatra vita an-tsoratra tao anatin’ny saretiny izy, ary dia lasa nitory isaky ny quimbo (vohitra kely), nandritra ny roa ka hatramin’ny telo volana. Rehefa simba ilay saretiny, dia nanohy ny diany izy, nitaingina ny ombiny. Na dia efa 70 taona aza izy, dia nahavita dia an-tongotra 200 kilaometatra mahery niaraka tamin’ny mpitory hafa.

Nanjary nanana andian’omby maro teny amin’ny tany lemaka rehetra teny i Tchande Cuituna. Nekena ho lohany teo amin’ilay fiaraha-monina nanapahan-dehilahy izy. Nanomboka tamin’ny feon-dakolosy ny asa isan’andro, mba hivorian’ny rehetra hihaino ny fanazavany andinin-teny iray tao amin’ny Baiboly, tamin’ny fiteny teo an-toerana. Rehefa tonga ny andro fivoriana, dia nahazatra ny nandre ny feon’ny amponga vy namoriana olona 100 teo ho eo handray fampianarana ara-panahy.

Nanjary fantatra hoe lehilahin’Andriamanitra i Tchande Cuituna, nanerana an’ilay faritr’i Gambos. Nanome ohatra faran’izay tsara ho an’ny hafa ny Rahalahy Cuituna, teo amin’ny fampiharany izay fantany avy tamin’ny fianarany manokana ny Baiboly, tamin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra sarobidy navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. Nadikany tamin’ny teny nyaneka sy kwanyama ilay bokikely hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”, mba hovakin’ny olona maro araka izay azo natao.

Nanjary fantatry ny birao teto Luanda ny asan’ny Rahalahy Cuituna, noho ireo tatitra momba ny fanompoana nalefany tsindraindray tamin’ny alalan’ireo rahalahy tao Windhoek, atsy Namibia. Nandefa an’i Hélder Silva, mpiandraikitra ny fizaran-tany, tany amin’ny Rahalahy Cuituna àry ny birao teto Luanda tamin’ny 1979, mba hahafahany hifandray akaiky kokoa tamin’ny Vavolombelona hafa. Tsaroan’ny Rahalahy Silva tsara iny diany iny.

Izao no nosoratany: “Nandeha 160 kilaometatra tamin’ny fiarakodia izahay hatreo Chiange. Nandehananay an-tongotra ny 70 kilaometatra sisa tavela. Saika tsy afaka nanohy ny dianay izahay, noho ny oram-batravatra naharitra adiny enina teo ho eo. Indraindray dia halohalika ny rano, kanefa tsy afaka nijanona izahay, satria nisy bibidia masiaka maro teo amin’ilay faritra. Mora kokoa taminay ny nandeha tsy nikiraro, satria feno fotaka ny lalana, ary nolanjainay tamin’ny hazo ny entanay. Tamin’ny farany, dia tonga tao amin’ny faritr’i Liokafela sy tany amin’ilay toerana tianay haleha tao amin’ny quimbo (vohitra) nisy an’i Cuituna, izahay. Noana sady trotraka izahay, koa nomen’ny vehivavy ronono habobo, zava-pisotro teo an-toerana antsoina hoe bulunga (kissangua) izay vita tamin’ny katsaka, kakao, ary koban-katsaka malemy antsoina hoe ihita (pirão de massango). Sady nitanina afo izahay no naka aina, ary dia vonona ho amin’ireo asa efa nomanina nony avy eo.” Dingana iray ho amin’ny fandaminana ny asa fitoriana ny vaovao tsara tao amin’ny faritr’i Gambos iny fitsidihana iny.

Tsy nisy tamin’ny mpanatrika teo nety hanadino an’ilay fanaovana batisa rahalahy sy anabavy vaovao 18 tamin’ny Aogositra 1986, teo amin’ny Ony Caculuvar. Izany no batisa voalohany natao tao amin’ny faritr’i Gambos, 40 taona taorian’ny nampidirana ny hafatra momba ilay Fanjakana tao. Diboky ny hafaliana ireo mpisava lalana tonga mba handray anjara tamin’ilay asa tao amin’io faritra io. Tsy hita izay teny hilazana ny hafalian’ny Rahalahy Cuituna teo am-pijerena ilay fanaovana batisa. Nibitaka noho ny hafaliana izy, ka niteny hoe: “Toa an’i Davida Mpanjaka fony izy nanaraka ny fiaran’i Jehovah, no fahatsapako ny tenako.” (2 Sam. 6:11-15). Mbola mpisava lalana maharitra ny Rahalahy Cuituna ankehitriny.

Ny asa any amin’ny faritra atsimo eto Angola

Tamin’ny 1975 i Tymoly, 18 taona, vehivavy lava ranjanana avy tany amin’ny faritr’i Huíla any atsimo, no nandre voalohany momba ny fahamarinana, noho ny ezaka nataon’i José Tiakatandela, mpisava lalana. Nankasitraka ilay hafatra tao amin’ny Baiboly i Tymoly, saingy nanohitra azy mafy ny ray aman-dreniny. Tsy nomena sakafo izy nandritra ny andro maromaro, novelezina, ary tamin’ny farany dia notoraham-bato. Notandindomin-doza ny ainy, ka nandeha an-tongotra 60 kilaometatra nankany Lubango izy. Afaka nanatrika an’ireo fivorian’ny kongregasiona izy tao. Nahazo fanampiana tamin’ny alalan’ny fianarana mamaky teny sy manoratra nalamin’ny kongregasiona izy, ka nandroso ary afaka nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Natao batisa izy tamin’ny 1981. Nianatra nanjaitra koa i Tymoly mba hahazoana fivelomana, ary izy ihany no manao ny akanjony tsotsotra nefa maotina. Natao batisa tamin’ny 1980 ny lehilahy telo sy vehivavy efatra iray foko aminy, izay nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny 1978.

Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy nandritra ny telo volana i José Maria Muvindi, avy any Lubango, tamin’ny 1983. Nankany atsimo izy, nitory tany amin’ny faritra ambanivohitra manodidina ny tanànan’i Jau sy i Gambos. Nidina nankany amin’ny Provansin’i Namibe izy, ka nampiely ny vaovao tsara teo amin’ireo Mukubais, ny foko lehibe indrindra any. Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra izy, rehefa hitany fa nila fanampiana be ireny faritany ireny. Nisy mpisava lalana hafa koa nanaraka azy tany.

Nanohina ny fon’ny olona maro tany amin’ilay faritra ny fahamarinana ara-baiboly, rehefa nitory tany ny Rahalahy Muvindi. Nanomboka nanao fiovana teo amin’ny fiainany izy ireny. Tsy maintsy nialany ny fanao tsy araka ny Soratra Masina, toy ny fampirafesana, ny fahalotoam-pitondran-tena, ny fimamoana, ary ny finoanoam-poana, mba hahafahany hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba azony ekena. Nanomboka nitafy ankoatra ny tchinkuani, na ny salaka nentim-paharazana, izy ireo. Nanjary nisy tsy an-kijanona ny olon-droa nankany Lubango mba hisora-panambadiana. Sambany teo amin’ny fiainany ny sasany vao nandao an’ilay vohitra nisy azy! Nosokafana indray ny biraom-panjakana iray tao Chiange, izay nikatona nandritra ny folo taona, ka afaka nandray an’ireo olona nirohotra tampoka avy tany amin’ny faritr’i Gambos. Nila taratasy fanamarinam-pahaterahana sy kara-panondro izy ireo, mba hahafahany hisora-panambadiana.

Mampalahelo fa matin’ny aretin’aty ny Rahalahy Muvindi tamin’ny 1986, kanefa namokatra tsara ny fanompoany tamin-jotom-po. Olona maro no nandre ny vaovao tsara, noho ny ezaka nataony sy nataon’ireo niasa tao amin’io faritra io. Ankehitriny dia misy kongregasiona sivy ao amin’ilay faritra, ary koa groupes folo mbola tsy voalamina ho kongregasiona. Mampandroso ny fanompoam-pivavahana marina ao amin’io faritra io izy rehetra ireo.

Nitombo ny fanaraha-maso

Niforona ny Mpiambina ny Tanàna (BPV) tamin’ny 1984, ka niharan’ny fanerena indray ireo rahalahintsika. Ny asa nanirahana ny BPV dia ny hiantoka ny fanaovana andry maso akaiky an’ireo tsy nandray anjara tamin’ny revolisiona. Nanao ahoana ny fomba nanatanterahan’ny BPV an’io asany io? Mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’izany fotoana izany i Domingos Mateus, ary tsaroany tsara izay nitranga: “Isaky ny zoron-dalana teto Luanda, dia nahitanao mpiambina ny tanàna, fantatra tamin’ny fehy manga teo amin’ny sandriny nisy soratra hoe BPV. Nahazo lalana hisava ny mpandalo rehetra izy. Nanjary sarotra kokoa tamin’ireo rahalahy ny nitondra zavatra vita an-tsoratra tany am-pivoriana. Nisy andiany 800, tamin’ny fitambarany, ireo mpiambina tao anatin’ny lisitra teto Luanda, tamin’ny Desambra 1985, ka tsy afaka nanao fivoriana mihitsy aza ireo kongregasiona.

Nisafo ny faritra iray manontolo tao amin’ny faritanàna nantsoina hoe Largo Serpa Pinto teo aloha, ny mpiambina sahabo ho 40. Nisy avy tao amin’ny Tafi-bahoaka Mitaky ny Fanafahana An’i Angola niaraka tamin’izy ireo, ary nitondra basimarovava izy ireo. Nahazatra ny nandre azy ireo nitifitra rehefa nanenjika olona iray na rehefa ta hanajanona olona hofotorana.

Nandamina fivoriana lehibe iray tao an-tranon’ny rahalahy iray ny kongregasiona iray. Taloha kelin’ny nanombohan’ilay fandaharana, dia tsikaritray ny mpiambina iray tao amin’ny BPV nanao andry maso an’ireo rahalahy niditra tao amin’ilay trano, sady nanoratra ny anaran’izy ireo teo amin’ny karine iray. Tsy nivadi-po ilay rahalahy nipetraka tao, na dia efa hitany aza ilay loza. Nahita hevitra izy. Nandeha moramora tao ambadik’ilay lehilahy izy, ary rehefa tena teo akaikiny, dia nanomboka niantsoantso hoe: ‘Ô re olona a, io misy mpangalatra, sambory io!’

Taitra ilay mpiambina ka nandositra, ary nazerany avokoa izay teny an-tanany. Nidina avy tany ambony rihana ireo mpifanila trano tamin’ilay rahalahy ary ny hafa nitsirika teo am-baravarankeliny mba hijery izay nitranga. Ilay rahalahy kosa niditra tao an-tranony, ka niteny tamin’ilay loholona hoe: ‘Azonao atomboka, ry rahalahy, ny fivoriana, fa tsy misy atahorana intsony.’ Tsy nahitana olana na fanelingelenana intsony ny fivoriana rehetra nalamina tao amin’io trano io, nandritra ilay herinandron’ny fitsidihana.”

“Raraka ny lasopy”

Nihasarotra ny fifandraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo rahalahiny kristianina tany ivelan’i Angola. Niasa tao amin’ny orinasa vahiny nitrandraka solitany anefa i António Alberto. Nitondra fanampiana àry izy tamin’ny fitondrana taratasy sarobidy nifandefasan’ny teto Angola sy ny sampan’i Portogaly.

Indray andro anefa, tamin’ny 1987, dia saron’ny polisy tao amin’ny seranam-piaramanidina ny fonosan’entana iray nisy taratasy momba ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny raharaha saro-pady hafa. Nandraiki-narary ny Rahalahy Alberto. Nandeha nody izy nijery ny fianakaviany tamin’ny mitataovovonana, satria azony antoka fa hosamborina tsy ho ela izy. Niantso an-telefaonina an’ilay rahalahy niandraikitra ireny raharaha ireny izy, ary nilaza fotsiny hoe: “Dadabe a, raraka ny lasopy.”

Taorian’izay, dia nisikina herim-po ny Rahalahy Alberto ka nankany an-tranon’ilay lehiben’ny polisy nitandro filaminana tao amin’ny seranam-piaramanidina. Nohazavain’ilay rahalahy fa iray fonja tamina tovolahy portogey izy nandritra ny fanjanahan-tany, ary nifanoratra foana ry zareo. Nalain’ny polisy tao amin’ny seranam-piaramanidina anefa ilay fonosan’entana nisy ireo taratasy ireo. Nomen’ny lehiben’ny polisy taratasy hoentina tany amin’ilay lehilahy naka an’ilay fonosan’entana ny Rahalahy Alberto, mba handefasana an’ilay izy tany amin’ny biraony. Sahiran-tsaina be ilay polisy tao amin’ny seranam-piaramanidina rehefa nampitan’ilay rahalahy an’io hafatra io. Fa nahoana? Tsy afaka nandefa an’ireo taratasy tany amin’ilay lehiben’ny polisy izy, satria efa nodorana ilay izy! Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ ny Rahalahy Alberto, satria tsy nisy natahorana intsony!

Tapa-kevitra ny handeha amin’ny lalan’i Jehovah

Noterena indray hiala tamin’ny fialanalanany kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, vokatr’ilay ady nitohy tsy an-kijanona. Nisy tovolahy 13 nosamborina tamin’ny Febroary 1984, noho izy ireo tsy nety nirotsaka ho miaramila. Telo monja tamin’izy ireo no Vavolombelona vita batisa, fa mbola mpitory tsy vita batisa ary vao nianatra ny Baiboly ny hafa. Norahonana sy nampijalina izy ireo, kanefa tsy niova ny fahatapahan-keviny handeha amin’ny lalan’i Jehovah. (Isaia 2:3, 4). Mampalahelo fa rehefa nafindra teto Luanda izy ireo ka nalefa fiaramanidina, dia nianjera teo am-piaingana ilay fiaramanidina, ary maty avokoa ny tao anatiny.

Tamin’ny Aprily 1985, dia nisy sivy hafa — Vavolombelona vita batisa sy mpitory tsy vita batisa ary olona liana — tsy nety niala koa tamin’ny fialanalanany. (Jaona 17:16). Nafindra tany amin’ny faritra iray izy ireo ka nalefa tamin’ny fiarandalamby, ary avy eo tamin’ny helikoptera. Nafotaka be ny ady tao amin’io faritra io. Nitady hanery azy ireo handray anjara tamin’ilay ady ny miaramila, kanefa tsy nety i Manual Morais de Lima, ka notifirina ho faty. Voatifitry ny tafondro ny rahalahy iray ka naratra be ny tongony. Nesorina teo amin’ilay toeram-piadiana àry izy ka nalefa tany amin’ny hopitaly. Nilazana toy izao ny rahalahy roa: “Tsy an’i Jehovah ilay helikoptera nitondrana anareo teto”, koa ny hany fomba nivoahany teo dia ny nandeha an-tongotra — 200 kilaometatra nandalovana faritra iray nisy mpiady anaty akata sy bibidia. Nony tonga teto Luanda izy ireo, dia nogadraina indray! Na izany aza, dia mbola niaiky mafy ihany izy ireo fa ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy no tokony hitarika azy ireo eo amin’ny fomba fiainany. — Lioka 10:25-28.

Nisy Vavolombelona efatra mirahalahy hafa koa nalefa tany amin’ny toby miaramila lavitra iray tany amin’ny faritra farany atsimo teto Angola. Natoky tanteraka ireo miaramila fa ho voatery handray fiadiana mba hiarovan-tena ny Vavolombelona rehefa nahita ny hamafin’ny ady. Tsy izany anefa no nitranga. Tsaroan’i Miguel Quiambata fa niaiky volana ny manamboninahitra sasany rehefa nahita ny tsy fivadihan’izy ireo, ary takany fa tsy tokony hatahorana izy ireo. Koa navelany handehandeha teo amin’ilay faritra ireo Vavolombelona. Nohararaotin’izy ireo izany fahalalahana izany mba hampianarana ny hafa momba ny fandaharan’i Jehovah hanome fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Rehefa nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy ireo tamin’ny 1987, dia nisy 47 ny mpanatrika, ary tsy ela dia tafakatra ho 58 ny isan’ny mpanatrika fivoriana.

Tamin’ny 1990, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tokony ho 300 mbola nigadra noho ny fialanalanany kristianina. Ny sasany nigadra imbetsaka, ka dimy taona mahery ny saziny isaky ny mandeha. Ny hafa nigadra efa-taona kanefa tsy nandalo fitsarana mihitsy. Na dia efa nahazo famotsoran-keloka aza izy ireo, dia tsy nampahafantarin’ny mpiandraikitra ny fonja sasany ny amin’izany ireo rahalahy fa notanany tao am-ponja ihany. Ny hafa nampihemotra ny fanafahana azy ireo, satria hitany ho mpiasa tsara indrindra ny Vavolombelona, ary tsy nitady handositra rehefa nanankinana asa tany ivelan’ny fonja. Ary tsy nahasakana ny fisamborana sy ny famonoana ho faty Vavolombelona hafa roa tamin’ny 1994, izany famotsoran-keloka izany.

Tatỳ aoriana kokoa, rehefa nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 ny anabavy mpisava lalana iray, dia tojo lehilahy iray izay miaramila teo aloha. Nilaza izy io fa nanatrika ny namonoana Vavolombelona telo tsy nety nirotsaka ho miaramila, ny tenany. Nanontaniana izy raha ho tsara kokoa izao tontolo izao raha Vavolombelon’i Jehovah avokoa ny olona rehetra. Neken’ilay rangahy fa raha afaka niatrika fahafatesana izy ireo satria tsy nety namono ny mpiara-belona taminy, dia azo antoka fa handry feizay izao tontolo izao raha Vavolombelon’i Jehovah avokoa ny olona rehetra. Nandray an’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? izy, nanaiky hianatra ny Baiboly, ary nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona.

Nikoriana hatrany ny ranon’ny fahamarinana

Nomen’i Jehovah fahitana ranon’aina nikoriana avy teo amin’ny tempoly ara-panahy lehiben’Andriamanitra, ny mpaminany Ezekiela. Nikoriana teo ambany sy nanodidina an’izay nanakantsakana azy sy teo amin’ny tany mikitoantoana ilay rano, ka namelona ny faritra maty teo aloha. (Ezek. 47:1-9). Ankehitriny, na teo aza izay nanakantsakana, ny ranon’ny fahamarinana manome fiainana dia nikoriana tany amin’ny tany maherin’ny 230, anisan’izany i Angola.

Toa nahakivy ireo zavatra nanakantsakana indraindray, kanefa nahita lalana foana ilay ranon’aina avy amin’Andriamanitra. Nandritra ireo taona 1980, dia henjana aoka izany ny fanaovana sivana, hany ka nahalana vao nisy hafatra nentin’ny iraka avy tany ivelany tonga tao amin’ny birao teto Luanda. Na izany aza, dia nahitana lalana somary mora niampitana teo amin’ny sisin-tanin’i Angola sy i Namibia, mba hampidirana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mirakitra fahamarinana mamelombelona. Tamin’izany fomba izany no nahazoana zavatra vita an-tsoratra tamin’ny teny portogey sy tamin’ny fiteny teto an-toerana. Nitohy nandritra ny taona maromaro teo amin’io faritra io, izany fandaharana izany.

Maro ny olona nanolotra fanampiana. Matihanina maro no nanampy an’ireo rahalahy mba hahazoana Baiboly. Na ny miaramila aza, izay havana Vavolombelona ny sasany, dia nisetra loza lehibe nanampy an’ireo rahalahy teto Angola. Nalefa tamin’ny anaran’ny olona ambony ny entana maromaro nisy fitaovana fampiasa ao amin’ny birao, anisan’izany ny milina iray fanaovana kopia izay tena nilaina. Nifidy ny hiara-manompo tamin’ny vahoakan’i Jehovah teo ambanin’ny fitarihan’ilay “Andrian’ny fiadanana” ny iray tamin’izy ireny, tatỳ aoriana. — Isaia 9:5.

Niala tatsy Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny), ka nifindra nanketo Angola i Thierry Duthoit sy i Manuela vadiny, tamin’ny 1984. Nanjary mamy hoditra tamin’ireo rahalahy teto an-toerana izy mivady. Lava ranjanana ny Rahalahy Duthoit, ka matetika no noheverin’ny olona ho Rosianina. Nanana fahalalahana tanteraka ny Rosianina maro teto Angola, teo ambanin’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany.

Nohararaotina izany fiheveran’ny olona azy ho Rosianina izany mba hampidirana zavatra vita an-tsoratra teto amin’ity tany rotidrotiky ny ady ity. Nohazavain’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny ny fomba hitondran’i Jehovah Andriamanitra ny tena fandriampahalemana ho an’ny olombelona, amin’ny alalan’ny Fanjakana Mesianika, sy ny hampiroboroboany izany fandriampahalemana izany hatrany amin’ny faran’ny tany. (Sal. 72:7, 8). Nifampiraharaha tamin’ny mpanamory fiaramanidina maromaro ny Rahalahy Duthoit, ary nanaiky hampiditra baoritra feno zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teto Angola izy ireny. Nalain’ny Rahalahy Duthoit tany amin’ny seranam-piaramanidina ireny baoritra ireny nony avy eo, ary nateriny tany amin’ireo rahalahy. Nahazo fanafody izay tena nilain’ny rahalahy narary koa izy.

Tamin’ny alalan’ny Rahalahy Duthoit no nahafantaran’ireo rahalahy tompon’andraikitra an’Atoa Ilídio Silva, mpandraharaha, izay nanome milina roa fanaovana kopia. Sarotra be tamin’ireo rahalahy mantsy ny nahazo azy ireny, satria nataon’ny fitondram-panjakana lisitra ny fitaovana rehetra fampiasa ao amin’ny birao teto Angola. Nahazo fitahiana koa Atoa Silva, satria tonga mpanompon’i Jehovah vita batisa izy tatỳ aoriana.

Afaka nanonta Ny Tilikambo Fiambenana 20 pejy ireo rahalahy, rehefa nahazo milina fanaovana kopia elektronika. Nisy lahatsoratra fanampiny nirakitra hevi-dehibe mbola tsy hitan’ny rahalahy angoley teo aloha, izany fanontana izany. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia 10 000, tamin’ny antsalany, no nozaraina isaky ny nomerao. Natao kopia koa ny Fandinihana ny Soratra Masina, ary tena nankasitraka izany ireo rahalahy. Nisy tapany nofantenana avy tamin’ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” nalefan’i Portogaly mba hatao kopia koa. Afaka nahazo an’io boky io tamin’ny endrika bokikely kely velarana, ny teto Angola tatỳ aoriana. Nampitombo ny isan’ny zavatra nianarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izany. Namelombelona erỳ ireny sakafo ara-panahy rehetra ireny!

Anisan’ny fitahian’Andriamanitra koa ny fitomboan’ny isan’ny vahoakan’i Jehovah midera azy eto Angola. Nahatratra 8 388 ny isan’ny Vavolombelony nanao tatitra, teo am-pifaranan’ny taom-panompoana 1987, ka fitomboana maherin’ny 150 isan-jato izany, nanomboka tamin’ny fandrarana tamin’ny 1978. Nitombo koa ny isan’ny kongregasiona, ka tafakatra ho 89 ilay 33 teo aloha. Nitandrina tsara ireo rahalahy vao sahy nanasa olona vao liana mba hanatrika fivoriana, kanefa mbola 150 isan-jato teo ho eo tamin’ny isan’ny mpitory ihany ny isan’ny mpanatrika. Nanompo 18 ora teo ho eo isam-bolana, tamin’ny antsalany, ny mpitory, ary nahatratra tampon’isa 23 665 ny fampianarana Baiboly! Marina fa nisy ny olana ara-bola sy ny tsy fahampian-tsakafo. Nanampy an’ireo rahalahintsika ho be herim-po anefa ny fatokisany ny fampanantenan’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hanohy ‘hitory ny Tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana’ izy ireo. — Asa. 4:31.

Fiofanana manokana ho an’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany

Nila fampaherezana koa ny mpiandraikitra mpitety faritany, izay nikely aina tsy an-kijanona mba hanampiana an’ireo kongregasiona. Nientam-po erỳ izy ireo nahafantatra fa hanatrika seminera manokana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany tany Lisbonne, any Portogaly, izy ireo, tamin’ny Novambra 1988!

Alao sary an-tsaina ny hafaliany niaraka isan’andro tamin’ny fianakavian’ny Betela tany Portogaly! Nanatrika an’ilay seminera i Luis Cardoso, ka toy izao no namintinany izay tsapan’izy ireo: “Fotoana tena nampientam-po tokoa ilay izy, ho ahy. Nafana aoka izany ny fandraisan’ny fianakavian’ny Betela anay tany Portogaly. Toa be loatra ny fiahian’ireo rahalahy anay. Efatra amby telopolo andro tena feno asa nahafaly sy nandraisanay fianarana be dia be izy iny.”

Niara-niasa tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany tany Portogaly aloha izy ireo nandritra ny tapa-bolana, mba handraisany fianarana avy tamin’izay hitany. Nanatrika an’ilay seminera izy ireo nandritra ny tapa-bolana nanaraka, ka nasongadina tamin’izany ny asany teokratika, ary nampiofanina hampianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana izy ireo. Nanatrika Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana natao ho an’ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana tany Portogaly izy ireo, ny herinandro nanaraka. Hitan’ireo rahalahy avy teto Angola ny nataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany tany Portogaly mba hampianarana ny loholona tany, ny amin’izay nianarany tao amin’ilay seminera.

“Nampianatra ahy izany atao hoe fahaiza-mianatra izany io seminera io”, hoy ny Rahalahy Cardoso. “Nianarako ny fomba fianatra sy ny fomba fanaovana fikarohana mbola tsy nataoko mihitsy hatramin’izay. Nampianatra anay ny fomba fanehoam-piheverana amin’ny vadinay ireo rahalahy, tamin’ny ohatra nomeny, mba hahafahanay hiara-miasa amim-piraisan-tsaina amin’ny vadinay. Nahatratra ny fara tampony io fotoana tsy hay hadinoina io rehefa nampiseho anay ny ‘Photo-Drame de la création’ ireo rahalahy. Efa nahare foana momba azy io aho, ary izao dia nampientam-po ny nahita azy io mihitsy.”

Ho tohin’io fotoam-pianarana io, tamin’ny Oktobra 1990, dia notendrena hiara-miasa tamin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany teto Angola i Mário Nobre, mpiandraikitra ny fizaran-tany avy tany Portogaly, nandritra ny fitsidihan’izy ireo ny kongregasiona teto an-toerana. Nampiofana an’ireo rahalahy nandritra ny roa volana izy, ary tena nankasitrahan’izy ireo ny fomba fampiofanany tamin-katsaram-panahy sy tamim-paharetana.

Finaritra erỳ ny Rahalahy Nobre nitantara izao zava-nitranga izao, andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavany teto Angola: “Hanao lahateny ampahibemaso tao amin’ny kongregasiona iray nisy mpitory 198 aho. Zendana aho nahita mpanatrika 487. Akory ny hagagako rehefa nangataka ahy hamerina an’ilay lahateny ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Hay, ny antsasaky ny kongregasiona monja no nanatrika teo iny! Mazava ho azy fa nanaiky aho, ary nisy 461 nanatrika ilay lahateny faharoa, ka nisy 948 izy ireo, tamin’ny fitambarany!”

Niana-javatra betsaka momba ny fiainana andavanandron’ireo rahalahy angoley ny Rahalahy Nobre, nandritra ny fandalovany teto. Hitany fa nampidi-doza ny arabe teto Luanda noho ny tifi-basy, kanefa afaka nizatra haingana tamin’ilay toe-javatra izy ka nampifantoka ny sainy tamin’ny fahitana olona maro be liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Hoy izy mahakasika ny filasiany: “Nanome ahy ny tsara indrindra nananany ireo rahalahy. Faran’izay kely ny zava-drehetra nanananay, kanefa ampy ilay izy.”

Hain-tany mafy

Teo am-piandohan’ny taona 1990, dia namely ny faritra atsimo teto Angola ilay mpitaingina ny soavaly maintin’ny Apokalypsy — ny mosary — ka niteraka hain-tany mafy naharitra telo volana izay nijinja ain’olona maro. (Apok. 6:5, 6). Simba ny voly. Be ny olona nijaly. Araka ny voalazan’ny Diário de Notícias any Lisbonne, dia nisy 10 000, fara fahakeliny, maty noho ilay hain-tany.

Rehefa ren’ny sampan’i Portogaly ilay zava-nitranga, dia nandefa avy hatrany kaontenera lehibe roa tamin’ny sambo izy ireo, ka nalefany tamin’ny anaran’ny rahalahy sy ny mpandraharaha liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly izany. Nalefa tao Benguela ny kaontenera iray, ary ny iray kosa nalefa teto Luanda.

Nalefan’ny sampan’i Afrika Atsimo tamin’ny kamiao ny fanampiana vonjy rano vaky 25 taonina, izay nandalo an’i Namibia. Nony tonga tao Windhoek ireo rahalahy, dia nangataka lalana tamin’ny masoivohon’i Angola mba hiditra teto, ka hanatitra an’ilay fanampiana tany amin’ireo rahalahiny kristianina. Fantatr’ilay manam-pahefana fa tsy nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona teto amin’ny taniny, kanefa faly izy nanome an’ireo taratasy nilaina mba hahatongavan’ilay fanampiana tany amin’ireo olona nijaly ireo. Nomena miaramila hiaro azy teny an-dalana mihitsy aza ireo rahalahy, mba hiantohana ny fahatongavany soa aman-tsara.

Rehefa tonga teo amin’ny tetezana vonjimaika teo amin’ny Ony Cunene ilay kamiao, dia voatery namindra ny zava-drehetra tao anatin’ny kamiao kely kokoa ireo rahalahy, ary namerina ny zava-drehetra indray rehefa tafita soa aman-tsara. Tonga tao Lubango ilay kamiao, rehefa avy nandalo toeram-pisavan’ny miaramila nisy 30. Nisava lalana ho an’ny dia telo fanampiny iny iraka voalohany nahomby tsara iny, ary fanampiana vonjy rano vaky sarobidy nilanja an-taoniny maro no nentina isaky ny dia tsirairay.

Izao no tsaroan’i Flávio Teixeira Quental, izay nahita ny nahatongavan’ilay kamiao voalohany tao Lubango: “Rehefa hitanay ilay kamiao tonga tamin’ny telo ora tolakandro teo ho eo, dia sady faly be izahay no nahatsapa fampiononana lehibe. Sady gaga no nitebiteby kely koa anefa izahay. Aiza no hitahirizanay ireo zavatra vita an-tsoratra sy fitafiana ary sakafo 25 taonina ireo? Tsy nisy varavarana na varavarankely ny Efitrano Fanjakananay, ary kely loatra ny tranonay, ka tsy omby an’ireo baoritra rehetra ireo. Nalaminay haingana ny hiambenan’ireo rahalahy andro aman’alina ny zava-drehetra, izay napetrakay tao amin’ny Efitrano Fanjakana.”

Nozaraina tsy nisy hataka andro ilay fanampiana. Nanohy ny teniny toy izao ny Rahalahy Quental: “Fotoan’ny ady tamin’izay. (...) Matetika izahay no tsy nanana afa-tsy gazety iray monja ho an’ny kongregasiona manontolo. Velom-pankasitrahana tokoa an’i Jehovah sy ny fandaminany ary ny rahalahy malalanay nanao vivery ny ainy ho an’ny rahalahy tsy fantany akory, izahay! Izany dia nampahatsiahy anay ilay karazam-pitiavana nasehon’i Jesosy tamin’ny olombelona, rehefa nanome ny ain’olombelona nananany ho tombontsoan’ny hafa izy.” — Jaona 3:16.

Izao no voalazan’ny taratasy fankasitrahana avy tamin’ireo loholona tao Benguela: “Feno zavatra natao iny faran’ny herinandro lasa teo iny, rehefa nizara an’ilay fanampiana voaray ny mpiasa an-tsitrapo 32. Isaoranay ireo natosiky ny fony handefa ilay fanomezana taminay.” Na teo aza ilay mosary, dia tsy nisy maty ireo rahalahy tao.

Fampanantenana fa hohajaina ny zon’olombelona

Tamin’ny 31 May 1991, dia nanao sonia fifanekena ny hampitsahatra ny ady ireo ankolafiny nifandrafy teto Angola, ka somary nandry feizay teto. Nanaiky lalàm-panorenana vaovao izy ireo, ka nampanantena fa hohajaina ny zon’olombelona sy ny zo politika. Rotidrotik’ilay ady an-trano naharitra 16 taona i Angola. Olona 300 000 teo ho eo no maty. Ny fanantenam-pahavelomana ho an’ny lehilahy dia 43 taona; ny an’ny vehivavy kosa, 46 taona. Nihamaro ny olona tsy an’asa, ary nihanisondrotra be ny vidim-piainana. Voakorontana be ny fandaharam-pianarana. Nila fanarenana lehibe i Angola. Hesorina koa ve ilay fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanan-kery nanomboka tamin’ny 1978?

Tamin’ny 22 Oktobra 1991, dia natolotra ny minisitry ny fitsarana ny fangatahana ny hanoratana ara-panjakana ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola. Nolazaina tao amin’ny vaovao koa io fangatahana io, mba ho fantatry ny besinimaro.

Nilaza toy izao ny ampahany tamin’ny lahatsoratra iray navoakan’ny Jornal de Angola, ny ampitson’iny ihany: “Araka ny voalazan’ny mpitondra tenin’ny Vavolombelona eto Angola, dia misy ny fanantenana fa hekena ilay Fikambanana, ary nahafa-po ny valin-teny savaranonando avy tamin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.” Nanao jery todika ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola koa ilay lahatsoratra, ary nitantara ny momba azy ireo tany Portogaly sy tatsy Mozambika, izay nanesorana ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sambany teto Angola vao nisy filazana tsara momba ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny fampahalalam-baovao! Andro maromaro taorian’izay, dia nilaza ny talen’ilay gazety fa naharay antso an-telefaonina maro ny tenany, eny, avy tamin’ny olona ambony mihitsy aza, izay nidera azy noho ny namoahany ilay lahatsoratra.

“Tsy hohadinoiko na oviana na oviana iny fitsidihana iny”

Efa nanomboka nivory sahady tamin-kalalahana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao tatitra ireo kongregasiona nanana mpitory 100 fa nisy olona 300 ka hatramin’ny 500 tonga nanatrika ireo fivoriana! Aiza no hasian’ny Vavolombelona an’ireny vahoaka ireny, satria hatramin’izay izy ireo tsy afaka niara-nivory afa-tsy vitsy kely monja tany an-tranon’olona manokana? Nanisy tafo fanitso teo an-tokotaniny ny rahalahy sasany, ka nanolotra an’ilay toerana nitafo mba hampiasain’ny kongregasiona. Kongregasiona maro no nivory tsotra izao teny an-kalamanjana. Nampirisihina ireo mpitory hoe ireo olona efa nandroso tsara tamin’ny fianarana ny Baiboly ihany no hasaina hanatrika fivoriana sy fivoriambe, satria tsy nisy toerana ho an’ny hafa rehetra. Tena nilaina maika dia maika ny toerana hanolorana fanompoam-pivavahana.

Tonga avy tany Portogaly i Douglas Guest sy i Mário P. Oliveira, izay nirahina mba hanampy an’ireo rahalahy hanombana ny asa niandry azy ireo sy handinika izay hilaina amin’ny hoavy. Nanao fivoriana manokana niaraka tamin’ny loholona sy ny mpisava lalana avy tao amin’ny kongregasiona 127 teto Luanda izy mirahalahy ireo, nandritra ny nandalovany teto. Afaka niara-nivory tamin’ny loholona avy tao amin’ny kongregasiona 30 tany ivelan’ny renivohitra izy ireo. Nanana solontena avokoa ireo faritra rehetra teto Angola. Fotoana tena nampahery tokoa izany!

Tena nampihetsi-po be ny Rahalahy Guest koa ireny fotoana ireny. Efa niara-niasa akaiky tamin’ireo rahalahy ireo izy, fony nifanoratra taminy teo aloha, nandritra ny 30 taona mahery. Hoy izy rehefa nahatsiaro iny fitsidihana iny: “Tena nahavariana fa tsy nisy nitaraina momba ny toe-piainany mihitsy ireo rahalahy. Hita soritra teny amin’ny endriny miramirana fa nanana fiadanana anaty izy ireo, izany hoe velona sady salama tsara ara-panahy. Ny tena ambentin-dresany dia ny hanitarana ny asa fitoriana teo amin’ny taniny. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana iny fitsidihana iny.”

Nekena ho ara-dalàna indray

Nambaran’ny gazetim-panjakana Diário da República tamin’ny 10 Aprily 1992, fa nekena ho ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra mafy ny hanararaotra ny fahafahana rehetra nisokatra teo anoloany noho izany fanekena ho ara-dalàna izany, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia nahatratra 18 911 ny tampon’isan’ny mpitory, ka fitomboana 30 isan-jato izany raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Nisy 56 075 ny isan’ny fampianarana ny Baiboly — telo isaky ny mpitory, tamin’ny antsalany — ka nidika izany fa niandry azy ireo ny fijinjana be dia be.

Nilazana ny sampan’i Afrika Atsimo izao fa azony natao ny nandefa Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary ny zavatra vita an-tsoratra hafa, ho an’i Angola. Novidina ny kamiao roa mba hanamorana ny fizarana azy ireny tany amin’ireo kongregasiona teto an-toerana. Nientam-po erỳ ireo rahalahy rehefa tonga Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1992 niisa 24 000, sy ny Mifohaza! tamin’ny 8 May 1992 niisa 12 000! Tsy ela dia ampy ny boky nitarihana fampianarana ny Baiboly. Talohan’izay ny mpitory sasany dia nanao tsianjery ny fanontaniana sy ny valiny rehetra tao amin’ny boky fianarana, mba hitarihana fampianarana.

Niatrika fotoan-tsarotra indray!

Mbola tsy nifarana ihany ny herisetra. Rotidrotiky ny ady an-trano indray i Angola, taorian’ny fifidianana tamin’ny Septambra 1992. Nafotaka be ny ady tamin’ny 30 Oktobra tao amin’ny tanàna dimy lehibe: i Lubango, i Benguela, i Huambo, i Lobito, ary indrindra fa teto Luanda, izay nisy 1 000 ny olona maty tamin’ireo andro voalohandohany nanombohan’ilay ady, araka ny tatitra.

Feno hipoka ny hopitaly. Nisy fatin’olona teny amin’ny arabe. Nihanaka ny valanaretina. Tsy nisy jiro sy sakafo ary rano nandritra ny herinandro maromaro. Nahazo vahana ny halatra sy ny fandrobana. Ory mafy ny ankamaroan’ny sivily.

Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy teto Luanda no maty; nisy hafa tsy hita popòka. Rehefa tonga tany Portogaly ny tatitra momba ny fahoriana mafy nianjady tamin’ireo rahalahintsika, dia nandefa sakafo sy fanafody avy hatrany ny sampana tany.

Voamariky ny besinimaro fa nialanalana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra iny fotoana niadian’ireo ankolafiny politika iny. Nisy nankasitraka ny fihetsik’izy ireo ka nanao fanamarihana hoe izy ireo ihany no tsy nitsabaka tamin’ny politika sy tsy niandany na tamin’iza na tamin’iza tamin’ilay fandrombahana fahefana. Nanomboka nanatona ny Vavolombelona teny amin’ny arabe ny olona liana, ka nangataka ny hampianarina ny Baiboly.

Niaiky ny Vavolombelona, araka ny fahitany ny toe-javatra nisy azy, fa fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ny zavatra nodiaviny, ka vao mainka nanamafy ny fatokisany ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Nankasitrahan’izy ireo ny nianarany tamin’ny fotoana nilany azy indrindra an’ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, indrindra fa ilay tapany momba ny asan’ny bibidia amin’izao andro farany izao.

Hafatra avy tamin’ny Fitambara-mpitantana

Fotoana fohy taorian’ny nipoahan’ny herisetra indray, dia nandefa taratasy nampahery ho an’ny sampan’i Portogaly ny Fitambara-mpitantana, ka nilaza ny fiahiany an’ireo rahalahy teto Angola. Voaresaka tao amin’ilay taratasy ny zavatra nilain’ireo rahalahy angoley tamin’izay fotoana izay, ankoatra ny zavatra hafa. Teo am-pamaranana ilay taratasy, dia nasain’ny Fitambara-mpitantana nampitaina tamin’ireo rahalahy teto Angola ny fitiavany lalina.

Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah ireo rahalahy teto Luanda, rehefa naharay io hafatra io, eny, velom-pankasitrahana izy ireo noho ilay fandaminana be fitiavana izay miahy aoka izany ny vahoakany amin’ny fotoam-pahoriana. Ireo fianakavian’ny rahalahy namoy ny ainy nandritra iny fotoana feno herisetra iny indrindra no tena nahazo fampiononana noho io fanehoam-pitiavana io.

Fivoriamben’ny distrika nanan-tantara

Somary nihatony ny toe-draharaha teto Luanda tamin’ny Janoary 1993, ka afaka nanatrika ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” natao teto an-drenivohitra ny mpitory maro avy tany amin’ny faritra maro samihafa teto Angola. Nandeha an-tongotra lavitra be ny sasany. Nandeha an-tongotra fito andro ny anabavy iray avy tany amin’ny Provansin’i Huambo, niaraka tamin’ny zanany kely efatra, ka vao enin-taona monja ny zokiny indrindra. Trotraka izy dimy mianaka kely nony tonga, kanefa falifaly erỳ fa hahazo anjara amin’ilay hanim-pito loha ara-panahy.

Nohofana nandritra ny roa herinandro nisesy ny Trano Hevan’ny Tsenaben’ny Taozava-baventy. I Portogaly no namatsy milina famokarana herinaratra sy fitaovana fanamafisam-peo. Feno hipoka ilay trano heva nandritra ireo fivoriambe roa, na dia ireo efa nanatrika tsy tapaka ny fivoriana ihany aza no nasain’ireo rahalahy. Nahatratra 24 491 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika. Sambany ireo rahalahy teto Angola vao afaka nanatrika fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika feno naharitra telo andro, anisan’izany ny fampisehoana tantara. Nisy 629 natao batisa tamin’ireo fivoriambe ireo, ary faly ireo mpanatrika nahazo ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! tamin’ny teny kikongo sy kimbundu ary umbundu, ary koa ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? tamin’ny teny portogey.

Nandinika akaiky ny fitondran-tena tsara dia tsaran’ny Vavolombelona nanatrika teo, ny manam-pahefana. Nifanohitra be tamin’izay nitranga teto Luanda izany. Tamin’ny andro voalohany nanombohan’ilay fivoriambe, dia nirongatra ny herisetra nampiharina tamin’ny mpitsoa-ponenana niverina teto Luanda, tany amin’ny faritanàna samihafa teto amin’ilay tanàna. Olona maro no maty, ary an-jatony maro no naratra. Niely patrana ny fandrobana. Trano maro no rava, anisan’izany ny an’ny rahalahy sasany. Toy ny raho-nitatao io herisetra nirongatra indray io. Toa vao mainka nisongadina be ny fifanoheran’izany tamin’ny fahazavana ara-panahy azon’ny vahoakan’i Jehovah. — Isaia 60:2.

Tapaka ny fifandraisan’ny kongregasiona tamin’ny birao

Tapaka tsikelikely ny fifandraisan’ny ankamaroan’ireo kongregasiona tany amin’ny provansy tamin’ny birao teto Luanda, vokatr’ilay ady nipoaka indray. Nanangana ny etamazaorony tao Huambo ny tafiky ny mpanohitra tamin’ny Janoary 1993, ary niteraka ady nahatsiravina izany. Nirohotra nandositra tany anaty akata ireo rahalahy, niala teo amin’io tanàna tsara tarehy io, izay saika potika tanteraka. Nandritra ny efa-bolana, dia tsy nahazoana vaovao mihitsy ireo kongregasiona 11 izay tao amin’io tanàna io teo aloha. Voaray izao hafatra fohy izao tamin’ny Aprily, rehefa ela ny ela: “Isan’ny mpanatrika ny fahatsiarovana tamin’ireo kongregasiona 11 tao Huambo: 3 505. Tsy misy maty tokony halahelovanay hatramin’izao.” Vaovao nahafaly tokoa ny hoe tsy nisy maty tamin’ireo rahalahy!

Tao anatin’ireo volana sy taona nanaraka, dia nihamaro kokoa ny tatitra voaray, nitantara ny fahatokiana sy ny fiaretan’ireo rahalahy. Nanao tatitra toy izao ny kongregasiona iray: “Ny fotoana ratsy indrindra dia rehefa nafotaka aoka izany ny ady nandritra ny roa volana, hany ka tsy nisy sahy nivoaboaka teny amin’ny arabe nandritra ny andro. Nitambatambatra tao anaty lakalin’ny trano lehibe iray ireo rahalahy. Nivoaka izy ireo tamin’ny alina, mba hitady rano hampangotrahina, mba hisy hosotroiny ny ampitso. Matetika no voatifitry ny miaramila tany an-takona ny olona nitady hifindra trano ka niampita ny arabe. Ahoana no nahazoan’ireo rahalahy sakafo? Nanambatra ny volany izy ireo mba hividianana vary lafo be tamin’ny miaramila. Vary iray kapoaka isan’andro no anjaran’ny olona tsirairay. Rehefa tsy nahazo sakafo izy ireo, dia niezaka nampitony ny hanoanany tamin’ny fisotroana rano efa avy nampangotrahina. Tsy afaka nahazo zavatra vita an-tsoratra izy ireo, kanefa naverimberiny novakina ireo gazety sy boky efa teny aminy, mba hahafahany hatanjaka ara-panahy hatrany. Ho vokany, dia mahatsiaro ho vao mainka akaiky an’i Jehovah izy ireo ankehitriny.”

Tapaka nandritra ny roa taona ny fifandraisan’ny kongregasiona iray tao amin’ny Provansin’i Kwanza Norte, tamin’ny birao teto Luanda. Na teo aza izany, dia nitahiry tamim-pahatokiana ny tatitra momba ny fanompoany teny amin’ny saha, ary koa ny momba ny vola nataony fanomezana, ireo Vavolombelona tao. Efa tena mafy ny nanjo azy ireo, kanefa tsy nampiasainy ho azy manokana ireny vola ireny. Ary mbola nanohy nanao fanomezana kely ho an’ny asa maneran-tany izy ireo. Nomeny ireny vola ireny, rehefa afaka nifandray tamin’ilay birao izy ireo, tamin’ny farany. Izany ka ohatra fakan-tahaka, raha ny amin’ny fankasitrahana ny fandaminana hita mason’i Jehovah!

Fanitarana ny Betela

Teo am-pifaranan’ny taona 1992, dia afaka nividy trano misy rihana roa izay efa nohofana ho biraon’ilay komity niandraikitra an’i Angola, ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka nanofa trano fanatobiana entana koa izy ireo tamin’io taona io ihany, ka tena nety tsara mba hitahirizana zavatra vita an-tsoratra io trano io, ary nampiasaina hanaovana fanontam-pirinty kely tatỳ aoriana. Roa taona tatỳ aoriana, dia nomanina ny fanavaozana an’ilay trano misy rihana roa sy ny fanorenana trano iray fanampiny misy rihana roa koa.

Tsy azo natao ny nividy fitaovana teto an-toerana hampiasaina tamin’io tetik’asa io, koa namboarina mialoha tany Portogaly ilay trano, natao tao anaty kaontenera ary nalefa sambo nanketo Angola. Tonga avy tany Portogaly i Carlos Cunha sy i Jorge Pegado ary i Noé Nunes, izay nahay asa fanorenana, mba hanampy tamin’ilay tetik’asa. Hoy ny fitantaran’i Mário P. Oliveira avy tany Portogaly, mpiandraikitra ny tetik’asa: “Feno olona nisomebiseby teo amin’ny Betela, rehefa nanomboka tamin’ny Jolay 1994 ilay asa fanorenana, ka tonga tsirairay ireo kaontenera. Saika ny mpianakavin’ny Betela rehetra no nanampy tamin’ny fanalana ny entana tao amin’ireo kaontenera nisy ny fitaovana rehetra nampiasaina tamin’ilay fanorenana, anisan’izany ny loko, ny taila, ny varavarana, ny tolàm-baravarankely, sy ny toy izany. Efa namaky momba ny fomba fanorenana mitsitsy fotoana ny fianakavian’ny Betela, kanefa saika tsy nampino azy izao ny nahita ny fomba haingana nanorenana ilay trano misy rihana roa.”

Naharay izao taratasy fankasitrahana izao avy tamin’ny rahalahy iray teto an-toerana izahay, nony vita ilay tetik’asa: “Misaotra an’i Jehovah aho noho ny namelany ahy handray anjara tamin’ny fanorenana an’ilay Betela vaovao. Toa nofinofy ilay izy teo am-boalohany, kanefa nanjary tanteraka. Tombontsoa lehibe ny hoe afaka nanatrika ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro, izay nampahery be ahy. Ankoatra izany, dia nanjary fantatro amin’ny anarany avokoa ny mpianakavin’ny Betela rehetra. Ny sasany anefa hitako fotsiny nandaha-teny tany amin’ny fivoriambe teo aloha. Mangataka amin’i Jehovah aho fa raha misy fanorenana Betela vaovao na trano hafa iray amin’ny hoavy, dia mba hahazo ilay tombontsoa lehibe handray anjara amin’izany aho.”

Nihamaro ny mpanompon’i Jehovah, ka mba hikarakarana izay nilainy, dia novidina ny tany iray mirefy efatra hektara sy sasany, any amin’ny folo kilaometatra eo ho eo any ivelan’i Luanda. Antenaina fa hatao eo ny birao sy ny trano Betela vaovao, any aoriana.

Nisy rahalahy sy anabavy dodona ny hanampy avy tany an-tany hafa ka tonga teto Angola. Tonga ny misionera valo tamin’ny May sy Jona 1994. Nisy rahalahy avy tatsy Afrika Atsimo nivezivezy nanketo mba hanampy tamin’ny fananganana milina fanontam-pirinty vaovao sy mba hampianatra ny rahalahy teto an-toerana ny amin’ny fomba fampiasa azy io. Nisy rahalahy avy tany Portogaly tonga mba hanampy an’ilay birao teto tamin’ny fampiasana ordinatera sy ny tamin’ny fanaovana kaonty ary tamin’ny raharaha hafa momba ny fandaminana ny asa. Nisy Betelita mahay asa, manompo ivelan’ny taniny, tonga avy tany Kanada sy Brezila. Tena nankasitrahan’ireo rahalahy tokoa ny fahavononan’izy ireny hanampy tamin’ny asa ary koa hampiofana ny teto an-toerana hahay ny asa tena nilaina!

Nanome fanambarana tsara dia tsara ireo fivoriamben’ny distrika

Nomanina ny fivoriamben’ny distrika tany amin’ny toerana maro kokoa, tamin’ny 1994. Sambany vao nisy fivoriambe natao tany amin’ny provansy: ny iray tao Benguela, izay nisy mpanatrika 2 043, ary ny faharoa tao Namibe, izay nisy tampon’isan’ny mpanatrika 4 088. Nahatratra 67 278 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika tamin’ireo fivoriambe, ary 962 no natao batisa.

Niaiky volana aoka izany noho izay hitany ny tompon’andraikitra tao amin’ny kianja iray, ka nilaza izy fa homeny hampiasaina maimaim-poana mandritra ny tapa-bolana ilay kianja. Nilaza toy izao ny olona liana iray: “Nahafinaritra tokoa ny nahita an’ireo olona nahalala fomba tsara erỳ! Tsy tonga mba hitsikilo anareo aho akory, fa maniry kosa hiaraka aminareo hatrany. Iangaviako indrindra ianareo mba handefa haingana araka izay azo atao olona iray hampianatra ahy, mba hahafahako hanaraka tsara ny ohatrareo.”

Azon’ny Vavolombelona ihany ny kianja lehibe iray teto afovoan’i Luanda, mba hanaovany ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, tamin’ny Aogositra 1995. Maro be ny seza hazo nosoloan’ireo rahalahy. Nandoko koa izy ireo, ary nanamboatra ny simba tamin’ny fantson-drano. Ahoana no nasetrin’ny olona an’ilay fanasana hanatrika an’ilay fivoriambe? Maro be no tonga! Tamin’ilay faran’ny herinandro voalohany, dia tonga nipetraka hatreo amin’ny toerana filalaovam-baolina mihitsy ireo olona sesehena, ary feno hipoka ireo toerana tsy nitafo. Nientam-po ireo mpanatrika rehefa nandre fa nisy 40 035 ny isan’ny mpanatrika. Nisy 33 119 kosa ny mpanatrika tamin’ny faran’ny herinandro nanaraka. Nisy 1 089 ny tontalin’ny isan’ny natao batisa.

Koa satria latsaka ny 26 000 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Angola, avy taiza àry ireo olona rehetra ireo? Avy teto Angola izy ireo, ary liana tamin’ny hafatra ara-baiboly nampitain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny mpanao gazety iray avy tao amin’ny masoivohom-baovao iray teto Luanda: “Zavatra mbola tsy fahita mihitsy hatramin’izay no mitranga eto amin’ny Kianjan’i Coqueiros izao. Olona tokony ho 60 000 avy amin’ny saranga rehetra no tonga manatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena mahavariana ilay izy; lehilahy, vehivavy, ankizy ary be taona no tafavory, (...) mba hihaino fampirisihana azy ireo hidera an’i Jehovah Andriamaniny.”

Nampiaiky volana an’ireo mpitazana ny nahita fa nadio sy nilamina avokoa ireo mpanatrika, na dia sahirana ara-pivelomana aza. Nihaino tsara ny rehetra nandritra ireo fotoam-pivoriana. Toa ireo izay nanisa ny mpanatrika ihany no nandehandeha. Nanatrika ny alahady maraina tontolo ny vehivavy iray, izay minisitra lefitra tao amin’ny fitondram-panjakana. Hoy ny fanamarihany: “Gaga aho! Tena samy hafa mihitsy ny olona ato anatin’ity kianja ity sy ireo eny ivelany. Miaiky volana aho noho ny fampianaranareo izay tena azo ampiharina. Arahabaina ianareo noho ny ezaka ataonareo!”

Efa namaky momba ny fivoriambe lehibe natrehin’ny vahoakan’i Jehovah tany an-tany hafa ny Vavolombelona teto Angola. Izao anefa izy ireo dia nanatrika fivoriambe teto amin’ny taniny mihitsy. Fitahiana lehibe tokoa izany rehefa avy niaritra fotoana tena sarotra nandritra ny taona maro izy ireo! Nitolagaga izy ireo. Velom-pisaorana an’i Jehovah izy ireo, noho ny namelany azy ho anisan’ny fianakaviany manokana eto an-tany, amin’izao fotoana lehibe eo amin’ny tantaran’ny olombelona izao.

Tonga sampana i Angola

Nitatra haingana ny fitoriana ny vaovao tsara. Nanomboka tamin’ny taona 1994 ka hatramin’ny 1996, dia nitombo 14 isan-jato isan-taona, tamin’ny antsalany, ny isan’ny mpitory. Nahatratra 28 969 ny tampon’isan’ny mpitory, ary nihoatra ny 61 000 ny isan’ny fampianarana ny Baiboly. Rehefa voasoratra anarana ara-panjakana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1992, dia nisy 213 ny isan’ny kongregasiona, ary nitombo ho 405 izany tamin’ny 1996. Nisy 108 394 ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’io taona io, ka nidika izany fa mbola hisy fanangonana lehibe.

Azo nohafainganina ny fikarakarana izay nilaina teto an-toerana, raha nanjary sampana ny birao teto Luanda. Koa nanomboka niasa ny biraon’ny sampana teto Angola, tamin’ny 1 Septambra 1996. Notendren’ny Fitambara-mpitantana ho anisan’ny Komitin’ny Sampana ireo rahalahy telo efa nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ilay komity niandraikitra an’i Angola: i João Mancoca sy i Domingos Mateus ary i Silvestre Simão. Nisy roa hafa, izay misionera, notendrena hiara-miasa tamin’izy ireo: i José Casimiro sy i Steve Starycki.

Tonga nitsidika an’i Angola i Douglas Guest, avy tany amin’ny sampan’i Portogaly, tamin’ny Jona 1996, mba hanampy tamin’ny fanomanana ilay tetezamita. Nanao lahateny ho an’ny mpianakavin’ny Betela niisa 56 izy, ary nanazava fa tokony hanome ohatra tsara dia tsara teo amin’ny lafiny rehetra izy ireo. Nisy fandaharana manokana natao ho an’ny loholona sy ny mpisava lalana 5 260 avy teto amin’ny tanànan’i Luanda sy ny manodidina, ary niaraka tamin’izy ireo koa ny vadiny. Lafin-javatra nisongadina tamin’ilay fandaharana ny fanadinadinana ny Komitin’ny Sampana sy ny rahalahy zokiolona hafa, ho fampahatsiahivana an’ireo zava-nisongadina teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah teto Angola. Noresahin’ny Rahalahy Guest tamin’izy ireo ny herim-po azo avy amin’ny fitokisana amin’i Jehovah sy ny fitodihana any aminy mba hahazoana hery.

Fandikana ny fahamarinana tamin’ny fitenin-drazany

Voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9 fa hisy ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’ ho tonga mpivavaka amin’i Jehovah koa. Azo antoka fa voakasika amin’io faminaniana io i Angola. Misy fiteny 42 sy fitenim-paritra maro kokoa noho izany ampiasaina eto Angola. Ny teny umbundu sy kimbundu ary kikongo no be mpampiasa indrindra amin’ireo fiteny ireo.

Nandritra ny taona maro, dia imbetsaka no nadika avy tamin’ny teny portogey ho amin’ny fiteny iray teto an-toerana, fara fahakeliny, ny zavatra nianarana nandritra ny fivorian’ny kongregasiona. Nila nianatra ny teny portogey ny olona mba hananana boky fianarana ho an’ny tenany, kanefa voafetra be ny fahafahana nianatra. Iray tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra nadika voalohany tamin’ny teny umbundu ilay bokikely hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”. Nilaza toy izao ny loholona iray nahazo azy io tamin’ny 1978: “Hisy mpitory maherin’ny 300 eto Moçâmedes [Namibe ankehitriny], amin’izao efa misy an’ity bokikely amin’ny teny umbundu ity izao. Miteny sy mamaky an’io fiteny io ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity faritra ity. Tena fitahiana tokoa izy ity!” Lehibe aoka izany ilay fitahiana, hany ka misy mpitory 1 362 ankehitriny ao amin’ireo kongregasiona 21 ao Namibe.

Tsy ampy anefa izany mba hanohinana ny fon’ny Angoley tamin’ny fampitana ny vaovao tsara tamin’ny fitenin-drazany. Nilaina ny nametraka ny fototra ho an’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny ary fomba. Fotoana fohy taorian’ny nanoratana ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1992, dia nisy telo mianadahy, izay nantenaina ho tonga mpandika teny, nalefa tany amin’ny sampan’i Afrika Atsimo mba hahazo fampiofanana savaranonando. Nahazo ordinatera ilay sampan-draharaha. Tonga avy tatsy Afrika Atsimo nony avy eo i Keith Wiggill sy i Evelyn vadiny, mba hanampy tamin’ny fandaminana an’ilay sampan-draharaha vaovao sy tamin’ny fampiasana ireo programan’ordinatera noforonin’ny Fikambanana atao hoe Translation Tools (Fitaovana Fandikan-teny).

Nihamaro ny zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny teto an-toerana. Navoaka tamin’ny teny umbundu ireo bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! sy Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Avy eo dia nadika tamin’ny teny kikongo sy kimbundu izy ireo, mbamin’ny taratasy mivalona maro samihafa. Navoaka tamin’ireo fiteny telo ireo ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay sy ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, tamin’ny 1996. Nanao tatitra ny mpiandraikitra ny distrika iray fa tao amin’ny kongregasiona iray notsidihiny, dia nampiasa fomba fampiseho tena tsotra sy mivantana izy, ka afaka nanomboka fampianarana ny Baiboly 90 tao anatin’ny herinandro iray! Nitombo ny isan’ny kongregasiona 478 ka tafakatra ho 606 tamin’ny taona nanaraka.

Fitahiana tokoa ho an’ireo rahalahy ny hoe afaka nandre sy namaky an’ireo fahamarinana ara-baiboly tamin’ny fitenin-drazany! Natao tao Huambo ny fivoriamben’ny distrika feno voalohany tamin’ny teny umbundu, tamin’ny 1998. Nisy maherin’ny 3 600 ny mpanatrika. Feno fankasitrahana ny fon’ireo mpanatrika, izay re nilaza toy izao: “Tsy nanadino antsika i Jehovah!” Vao mainka niharihary izany fiahiana tamim-pitiavana izany, rehefa navoaka tamin’ny teny umbundu Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1 Janoary 1999.

Ilaina maika dia maika ireo Efitrano Fanjakana

Tsy afaka nanana Efitrano Fanjakana nandritra ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah teto Angola, satria voarara ny asany. Nanomboka tamin’ny 1992, dia nitombo ny isan’ny kongregasiona 147, teto Luanda fotsiny, ka tafakatra ho 514. Nitombo maherin’ny 200 isan-jato ny isan’ny kongregasiona nanerana an’i Angola, ka tafakatra ho 696. Misy 200 ka hatramin’ny 400, amin’ny antsalany, ny isan’ny mpanatrika fivoriana any amin’ny kongregasiona maro. Avo efatra heny noho ny isan’ny mpitory ny mpanatrika tamin’ireo fivoriambe tamin’ny 1998, araka ny tatitra voaray! Ilaina maika dia maika àry ny toeram-pivoriana sahaza.

Nahazo ny Efitrano Fanjakanany voalohany ny tanànan’i Lubango tamin’ny 1997, ny an’i Lobito tamin’ny Jolay 1998, ary ny an’i Viana (eo atsimon’i Luanda) tamin’ny Desambra 1999. Mandroso ny fanorenana Efitrano Fanjakana ankehitriny, noho ny fanampiana azo avy amin’ilay fandaharam-panorenana iraisam-pirenena.

Efitrano Fanjakana azo afindrafindra, misy rafi-by, tsy misy rindrina, no nomanina ho an’i Angola. Fa nahoana no hoe azo afindrafindra? Na eo aza ny ezaka atao mba hahazoana tany ka ho tonga tompony ara-dalàna, dia mety hisy olona ho tonga, na efa voaorina eo aza ny trano iray, ka hilaza fa izy no tena tompon’ilay tany. Koa natao ho azo afindrafindra àry ny Efitrano Fanjakana, mba ho azo afindra raha ilaina. Raha ny amin’ny nanaovana azy ho tsy misy rindrina kosa, dia mety kokoa izany eto amin’ity tany mafana ity. Tonga tamin’ny May 2000 ireo fitaovana ho an’ilay trano voalohany efa voamboatra mialoha. Misy 24 monja ny Efitrano Fanjakana isan-karazany eto Angola, ary 355 fanampiny no hilaina amin’ireo dimy taona manaraka. Antenaina fa hanampy amin’ny fanorenana an’ireo Efitrano Fanjakana ilaina maika dia maika ireo ny zavatra atao ankehitriny.

Ankoatra ny fanorenana Efitrano Fanjakana, dia omanina amin’ny hoavy koa ny Efitrano Fivoriambe iray misy rafi-by, tsy misy rindrina, ary hisy seza ho an’ny olona 12 000.

Fanajana ny fahamasinan’ny ra

Zavatra hafa nilaina koa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH), koa nanomboka niasa ho an’ireo kongregasiona an-jatony maro teto amin’ny tanànan’i Luanda sy ny manodidina izy io tamin’ny Oktobra 1996, ary loholona folo be fiahiana no nahaforona azy io. Nientam-po ny Vavolombelona teto an-toerana fa nanana rahalahy tsara ofana afaka nanampy azy ireo hahazo fitsaboana izay manaja ny faniriany ‘hifady ra’. — Asa. 15:28, 29.

Tsy voakojakoja firy ireo toeram-pitsaboana tsy ravan’ny ady, nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1970. Tsy nisy firy ny fanafody. Tao anatin’izany fahasahiranana izany, ho vonon-kanampy ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny dokotera, ka hanaiky ny hanao fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra? Teo am-boalohany, dia nilaza ho tsy vonona ny ankamaroan’ny dokotera sy ny mpitantana hopitaly, na nampihemotra ny fotoana nifanaovany tamin’ny Vavolombelona. Avy eo dia nipoitra ny tarehin-javatra iray nilana vonjy aina.

Nentina tao amin’ny Hopitaly Américo Boavida teto Luanda ny rahalahy iray avy tany amin’ny provansin’i Malanje mba hodidiana, satria nisy nivonto tao amin’ny vavoniny. Niaraka tamin’ny vadin’ilay rahalahy mba hiresaka tamin’ilay mpandidy, ny rahalahy iray tao amin’ny KMH. Nandray tsara an’izy mianadahy ny Dr. Jaime de Abreu, lehiben’ny mpandidy tao amin’ilay hopitaly. Gaga izy ireo fa fantatr’ilay mpandidy tsara ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny toerana tanany momba ny ra, ary efa nandre momba ilay fitsaboana tsy ampiasana ra izy, fony nanao vakansy tany Portogaly.

Nahomby ilay fandidiana tsy nampiasana ra, noho ny fanampian’ny Dr. de Abreu. Nihaona tamin’ny Dr. de Abreu sy ny ekipany ireo rahalahy tao amin’ny KMH tatỳ aoriana, mba hanome fanazavana fanampiny. Misy dokotera dimy ankehitriny vonon-kanampy ny Vavolombelona, ka manaja ny toerana tanany momba ny ra.

Mpiasa bebe kokoa hamory ny vokatra

Rehefa voakarakara ireo zavatra nilaina maro momba ny fandaminana ny asa sy momba ny zavatra vita an-tsoratra, dia nasiana fiheverana bebe kokoa ny hanampiana ireo olona liana maro teny amin’ny saha. Tena mihatra tsara eto Angola ireto tenin’i Jesosy ireto: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”! (Matio 9:38). Nasehon’ny tatitra fa nisy tanàna maro nila fanampiana mba hikarakarana an’ireo liana tamin’ny fahamarinana.

Koa nandefa misionera 11 fanampiny àry ny Fikambanana, mba hanampy tamin’ny famoriana “ny vokatra”. Ny sasany notendrena nankao Benguela sy Namibe, tanàna amorontsiraka. Avy teto Angola ihany anefa no namorian’i Jehovah ny ankamaroan’ny mpiasa. Nandritra ireo dimy taona lasa monja, dia nisy 21 839 natao batisa, ka nanatevin-daharana an’ilay vahoaka mpidera an’i Jehovah vita fanoloran-tena eto Angola.

Eo amin’izy ireo ny mason’i Jehovah

Tsy afaka nandefa rahalahy za-draharaha tany amin’ny toerana rehetra misy olona liana amin’ny Tenin’Andriamanitra, izahay. Inona no vokany? Betsaka ny porofo mampiseho fa ny fanahin’Andriamanitra, fa tsy ny olombelona, no mitarika ilay asa. (Zak. 4:6). Eo amin’ny mpanompony rehetra, ary koa eo amin’ny olon-kafa maniry amim-pahatsorana ny hahafantatra sy ny hanompo an’ilay Andriamanitra marina, ny mason’i Jehovah. — Sal. 65:2; Ohab. 15:3.

Nisy olona sasany avy tany amin’ny vohitra any amin’ny provansin’i Kwanza Norte nanketo Luanda, ary nahazo gazety tamin’ny Vavolombelona nizara izany teny amin’ny arabe izy ireo. Hitan’ireo mponina tao amin’ilay vohitra fa nirakitra vaovao tsara ireny gazety ireny, ka nanapa-kevitra izy ireo fa tokony hanaraka ny ohatry ny Vavolombelona teto Luanda koa ny tenany, ka hizara an’ireo gazety tamin’ny hafa. Takatr’izy ireo koa fa tokony hiara-mivory izy ireo, koa nanao araka izay fara heriny ny lehilahy iray teo amin’izy ireo mba hitarika fivoriana. Mitokana be anefa ilay vohitra misy azy ireo, hany ka mbola tsy ren’ireo manam-pahefana teo an-toerana ny vaovao momba ny nanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, telo taona talohan’izay. Koa tsy navela hanao fivoriana ampahibemaso àry ireo olona ireo. Tsy nahakivy azy ireo anefa izany fa nivory tany anaty akata izy ireo.

Ren’ny birao teto Luanda ihany rehefa ela ny ela ny vaovao momba ny mponina tao Quilombo dos Dembos izay nitady fanampiana mba handaminana kongregasiona. Nirahina nankany amin’ilay vohitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray tamin’ny Oktobra 1997, ary nisy 140 nanatrika ny fivoriana nandritra ny fitsidihany. Nentin’ilay mpiandraikitra teny aminy foana ny kopian’ny didim-panjakana momba ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka nanome porofo tamin’ny manam-pahefana teo an-toerana izy fa fikambanana miasa ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly izao ilay antokon’olona fa afaka miara-mivory ampahibemaso, ary manana mpisava lalana, izay manampy olona liana maro, izy ireo ankehitriny.

Tonga tao amin’ny tanàna kely iray any amin’ny provansin’i Bié i Ana Maria Filomena, tamin’ny 1996. Nanao izay azony natao izy mba hampielezana ny vaovao tsara, ary tsy ela dia nisy olona liana maromaro niara-nivory isan-kerinandro mba hiara-mianatra boky sy Ny Tilikambo Fiambenana. I Ana Maria no nitarika an’ireo fivoriana, satria tsy nisy rahalahy vita batisa. Nilazana izy indray andro fa hisy miaramila manamboninahitra iray teo an-toerana ho tonga hanatrika ny fivorian’izy ireo ny alahady, mba hahafantarany izay zavatra nampianarina tao. Tonga ilay manamboninahitra, niaraka tamin’ny miaramila roa. Niharihary fa nahafaly azy ny zavatra reny, satria hoy izy, talohan’ny nandehanany: “Tohizo ny asanareo eto amin’ity faritra ity, fa aza matahotra.” Nanjary ny Kongregasiona Kuito-Bié Sul amin’ny teny umbundu io antokon’olom-bitsy io ankehitriny, ary misy mpitory 40 sy mpanatrika fivoriana 150 ny alahady.

Tsy naharay ny sakafo ara-panahy nilainy ireo kongregasiona tao amin’ny provansin’i Uíge, satria tapaka ny fifandraisany tamin’ny tanàna hafa, nandritra ny roa taona teo ho eo. Nohazavain’ny Vavolombelona iray tamin’ny havany iray ilay olana. Nandeha fiaramanidina mpitondra entana tsy tapaka io havany io. Tsara fanahy tokoa io havany io, satria nanolo-kevitra ny hitondra maimaim-poana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny mpisava lalana manokana iray ary zavatra vita an-tsoratra 400 kilaograma, tamin’ny diany manaraka tamin’ny fiaramanidina. Nony tonga tany ireo rahalahy ireo, dia nahita kongregasiona iray nikarakara groupes isolés dimy. Nisy olona liana 50 ka hatramin’ny 60 nanatrika ny fivoriana nataon’ny groupe tsirairay.

Teo am-piandohan’ny taona 1996, tao amin’io provansy io ihany, dia nitsidika kongregasiona iray izay tafasaraka tamin’ny fandaminan’i Jehovah nandritra ny efa-taona mahery, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray. Inona no hitany tany? Na dia 75 monja aza ny isan’ny mpitory, dia nisy 794 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika tamin’ny lahateniny ampahibemaso! Miharihary fa tsy nampihena ny zotom-pon’ireo rahalahy ireo hitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa ny naha tafasaraka azy ireo tamin’ny faritra hafa.

Somary lavidavitra any atsimon’i Luanda no misy ny faritr’i Gabela, ary nahazoana tatitra koa hoe nisy olona liana maro tany. Mitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dimy ny mpisava lalana iray any, ka mitarika iray isaky ny hariva izy. ‘Mangataka amin’ny Tompon’ny vokatra koa izy mba hampandehanany mpiasa maro kokoa.’ — Matio 9:37, 38.

“Ny ady mahatsiravina indrindra  amin’izao androntsika izao”

Vao mainka mahagaga ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsara manerana an’i Angola, rehefa heverina ny toe-draharaha eto. Nolazalazain’ny tatitra iray nataon’ny Firenena Mikambana ho “ny ady mahatsiravina indrindra amin’izao androntsika izao” ny ady an-trano eto Angola. Tsy azo iadian-kevitra izany filazana izany, rehefa heverina ny fijalian’ny olona eto. Na nitsahatra aza ny poa-basy, dia voalazan’ny tatitra fa nisy 1 000 ny olona maty isan’andro. Nilaza toy izao ny The New York Times tamin’ny Martsa 2000: “Misy mponina 12 tapitrisa any Angola, iray tapitrisa no maty noho ny ady, ary telo tapitrisa ankehitriny no voatery nitsoa-ponenana.”

Na dia tsy hisy poa-basy intsony aza, dia mbola hisy ihany ireo farasisan’ilay ady. Anisan’ny manana vanja milevina maro indrindra eran-tany i Angola. Ary tombanana ho 70 000 — ny be indrindra eran-tany — no tapa-tongotra na tapa-tanana, vokatry ny fipoahan’ny vanja milevina. Toa tsy mampino fa mbola manohy mandevina vanja ihany ireo ankolafiny mifandrafy. Voatery mandao ny toeram-pamboleny ireo mpamboly, ka manjary tsy ampy sakafo mihitsy ny mponina.

Tsy hoe nieren-doza akory ny Vavolombelon’i Jehovah, teo anivon’izany herisetra izany. Vavolombelona efatra sy olona liana iray no maty tamin’ny fifampitifiran’ny miaramilam-panjakana sy ny tafika mpanohitra, tao amin’ny provansin’i Kwanza Norte. Ny Vavolombelona sasany kosa maty noho ny voina tamin’ny vanja milevina sy ny baomba nipoaka befahatany teny an-tsena. Vavolombelona efatra no namoy ny ainy tamin’ny 1999, raha iny izy nandeha nanatitra sakafo sy fitaovana hafa ho an’ny Kristianina namany tao Huambo iny. Soa ihany fa mahalana ny fisehoan-javatra toy izany.

Nijaly mafy toy ny hafa rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah, vokatry ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana. Tombanana ho 1 700 000 ny olona voatery nitsoa-ponenana, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah maro, rehefa nihamafy ilay ady an-trano tamin’ny 1999. Matetika ireo olona mandositra an’ilay ady no mankany an-tranon’ny havany efa feno hipoka. Na dia sahirana mafy amin’ny famelomana an’ireo ankohonany aza ireo loholona, dia manohy mikarakara izay ilain’ireo rahalahy eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. Tsy ampy ny teny hilazana ny halalin’ny fankasitrahan’ireny Vavolombelona ireny ny namany kristianina atsy Afrika Atsimo sy any Italia ary any Portogaly, noho ny nanomezany kaontenera maro feno sakafo sy fitafiana ary fanafody nilaina mafy, rehefa reny ny amin’ny fahoriana nianjady tamin’izy ireo teto Angola.

Oha-pinoana velona

Nanadiovana volamena ny hafanana faran’izay mafy tamin’ny andro fahiny, ary tsy misy hafa amin’izany fa mamokatra finoana voazaha toetra koa ireo fisedrana iaretan’ny mpanompon’Andriamanitra. (Ohab. 17:3; 1 Pet. 1:6, 7). Manana finoana voazaha toetra toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro eto Angola, na antitra na tanora.

Mpitory efa hatramin’ny ela i Carlos Cadi; efa maherin’ny 50 taona lasa izay no nianarany ireo fahamarinana ara-baiboly sarobidy tamin’i João Mancoca, tatsy Congo Belza. Hoy ny fanamarihany: “Fanambarana mahery ny fijoroan’ireo rahalahintsika mbamin’ny herim-pony sy ny fahatapahan-keviny, anisan’izany ireo rahalahy maro namoy ny ainy. Tsy tamin’izay nataony ihany no nanaovany fanambarana, fa teo amin’ny fahasahiany hilaza ny heviny tamin’ny manam-pahefana maro koa.”

Anisan’ny nandray anjara tamin’izany fanaovana fanambarana izany i Antunes Tiago Paulo. Nentina tamin-kalozana izy mba hampialana azy tamin’ny fialanalanany kristianina. Anisan’ny mpianakavin’ny Betela eto Angola izy ankehitriny, miaraka amin’ny hafa izay nampijalijalina toa azy koa: i Justino César, i Domingos Kambongolo, i António Mufuma, i David Missi, ary i Miguel Neto. Tany am-ponja nandritra ny enin-taona mahery i Alfredo Chimbaia, ary manao ny asan’ny fizaran-tany izy ankehitriny, miaraka amin’ny vadiny.

Hitan’ny anabavy iray ny nakana an-keriny ny vadiny sy ny namonoan’ny foko iray fahavalo azy. Nilazana izy fa raha te ho velona, dia tsy maintsy nandositra nankatsy amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny tenany. Voatery nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny zanany efatra izy nankany. Rehefa afaka folo volana izy dimy mianaka vao tonga tany. Talohan’ny nandehanany, dia tsy fantany fa bevohoka izy, ary teraka izy, raha mbola tsy tonga tatsy Congo. Mampalahelo anefa fa maty ilay zaza tatỳ aoriana. Nivavaka tsy an-kijanona izy. Nilaza izy fa rehefa tsy hitanao izay hatao ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia tsy maintsy mametraka ny entanao amin’i Jehovah ianao. (Sal. 55:22). Raha tsy izany, dia hanjary hitsetra tena foana ianao, ka hanontany hoe: “Fa nahoana no izaho, Jehovah ô?” Velom-pankasitrahana lalina io anabavy io fa velona, hany ka raha vantany vao tonga tao Kinshasa izy, dia nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy, tamin’ny volana voalohany nipetrahany tao.

‘Tsy menatra ny amin’izy ireo Andriamanitra’

Mahalaza tsara ny mpanompon’i Jehovah eto Angola ny zavatra nosoratan’ny apostoly Paoly momba ny lehilahy sy ny vehivavy nanam-pinoana tamin’ny andro fahiny. Azo lazaina amin’ny fomba hafa toy izao ny teniny: ‘Inona koa no holazaintsika? Fa ho lany ny andro, raha holazaintsika ireo oha-pinoana rehetra nomen’ireo afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, nampijalijalina nefa tsy nety nanao izay hahafahany tamin’ny fanekena lembenana. Niaritra fanesoana sy kapoka mafy izy ireo, ary fatorana sy tranomaizina koa. Nosedraina izy ireo, efa lao, ory, fadiranovana, nefa izao tontolo izao tsy mendrika ho nitoerany akory.’ (Heb. 11:32-38). Na nohamavoin’ireo mpanenjika aza izy ireo, na mahantra fadiranovana aza izy ireo noho ny ady sy ny fanjakan’i Baroa, “Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny”, satria mibanjina hatrany ny fahatanterahan’ny fampanantenany izy ireo. — Heb. 11:16.

Marina fa mbola mizaka ny vokatry ny firiotra mafin’ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy ny Vavolombelon’i Jehovah eto Angola, kanefa tsapan’izy ireo tsara fa mitahy azy ireo Andriamanitra. Nandritra ny taon-dasa, dia mpitory maherin’ny 40 000 teto Angola no nanokana maherin’ny 10 000 000 ora mba hiresahana tamin’ny hafa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nitarika fampianarana ny Baiboly maherin’ny 83 000 isam-bolana, tamin’ny antsalany, izy ireo. Ny faniriana mafin’ireo mpitory ilay Fanjakana eto Angola dia ny hanampy olona maro araka izay azo atao mba hananany ny fahafahana hifidy ny tena fiainana, izay nataon’Andriamanitra hisy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ary akory moa ny hafaliany rehefa nisy maherin’ny 181 000 nanatrika ny fahatsiarovana isan-taona ny Sakafo Harivan’ny Tompo, na dia tsy nilamina aza ny toe-draharaha teto! Tondraka ny porofo hitan’izy ireo fa mbola masaka hojinjana ny saha eto. — Jaona 4:35.

Matoky tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah eto Angola, toa an’ireo rahalahiny kristianina maneran-tany, fa handresy amin’ny farany i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakany sy Mpitarika azy any an-danitra. (Sal. 45:1-4; Apok. 6:2). Na eo aza ireo fisedrana atrehiny, dia tapa-kevitra izy ireo ny ho mpanompon’i Jesosy tsy mivadika, sy ny ho Vavolombelona mahatokin’ilay Andriamaniny be fitiavana, dia i Jehovah. — Sal. 45:17.

[Teny notsongaina, pejy 68]

‘Na reraka mafy aza ny vatanay, dia salama ara-panahy izahay. Izay efa voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly no mitranga izao.’

[Teny notsongaina, pejy 73]

Nianatra ny Baiboly izy ireo ary nanomboka nitory. Tsy ela izy ireo dia noroahina nanketo Angola.

[Teny notsongaina, pejy 78]

“Ny zavatra ratsy indrindra azonao atao dia ny mamono mahafaty ahy. Inona no azonao atao ankoatra izany? Tsy hiala amin’ny finoako anefa aho.”

[Teny notsongaina, pejy 82]

Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana. Tena sarobidy taminy anefa ve ilay izy?

[Teny notsongaina, pejy 85]

Nitory tamin’ny rindrina ny amin’izay foto-kevitra ara-baiboly tonga tao an-tsainy izy ireo, tany am-ponja.

[Teny notsongaina, pejy 89]

Nitohy ny ady nanodidina azy ireo, kanefa nanohy nanao ny fanompoany izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 91]

Nitsidika tsy tapaka nandritra ny fotoana fohy ireo mpiandry kristianina, rehefa nandeha niasa sy niverina avy niasa. Matetika izy ireo no namaky andinin-teny vitsivitsy niaraka tamin’ilay fianakaviana.

[Teny notsongaina, pejy 96]

“Eny àry fa hiteny aho hoe ‘Ho ela velona anie!’ ” Niandry avokoa ny rehetra. Farany, dia niantsoantso toy izao ilay zazalahy kely: “Ho ela velona anie i Jehovah!”

[Teny notsongaina, pejy 103]

“Rehefa nandao an’i Angola aho, dia nivavaka anakampo ary nanganohano ny ranomasoko, noho ny amin’ireo rahalahy ireo, izay, na dia mijaly aza, dia mitsiky, noho ilay fanantenana kanto ananany.”

[Teny notsongaina, pejy 108]

‘Nanao ny lahateniny tsirairay im-7 ka hatramin’ny in-21 izy. Feno zavatra natao ilay herinandro, sady nandreraka.’

[Teny notsongaina, pejy 111]

Nekena ho lohany teo amin’ilay fiaraha-monina nanapahan-dehilahy izy. Nanjary fantatra hoe lehilahin’Andriamanitra izy.

[Teny notsongaina, pejy 116]

Tsy niova ny fahatapahan-keviny handeha amin’ny lalan’i Jehovah, na dia noterena hiala tamin’ny fialanalanany kristianina aza izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 124]

“Velom-pankasitrahana tokoa an’i Jehovah sy ny fandaminany ary ny rahalahy malalanay nanao vivery ny ainy ho an’ny rahalahy tsy fantany akory, izahay!”

[Teny notsongaina, pejy 128]

Voamariky ny besinimaro fa nialanalana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 138]

Misy kongregasiona 696 eto, nefa 24 monja ny Efitrano Fanjakana.

[Sarintany/Sary, pejy 81]

(Jereo ny boky)

Oseana Atlantika

REP. DEM. CONGO

ANGOLA

Luanda

Malanje

Lobito

Benguela

Huambo

Lubango

Namibe

Baía dos Tigres

NAMIBIA

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 71]

Gray sy Olga Smith

[Sary, pejy 74]

John Cooke (afovoany), miaraka amin’i João Mancoca (ankavanana) sy i Sala Filemon (ankavia), izay anisan’ireo voalohany nijoro mafy ho an’ny fanompoam-pivavahana marina teto Angola

[Sary, pejy 87]

Fivoriambe nampientam-po nandritra ny fahalalahana kely tamin’ny 1975

[Sary, pejy 90]

Tany rotidrotiky ny ady

[Sary, pejy 102]

Ilay “lakozia” nanomanana sakafo ara-panahy

[Sary, pejy 104]

Silvestre Simão

[Sary, pejy 123]

Fanampiana vonjy rano vaky ho an’i Angola, naondrana tao anatin’ny kamiao tatsy Afrika Atsimo

[Sary, pejy 126]

Etsy ambony: Fivoriana manokana niarahana tamin’ireo loholona sy mpisava lalana maharitra teto Luanda

[Sary, pejy 126]

Douglas Guest (ankavia) teto Angola tamin’ny 1991, niaraka tamin’i João sy i Maria Mancoca ary i Mário Oliveira

[Sary, pejy 131]

Birao voalohany nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Luanda

[Sary, pejy 134]

Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” nisy mpanatrika 73 154 teto Luanda

[Sary, pejy 139]

Trano mitafo fanitso — iray amin’ireo Efitrano Fanjakana 24 eto Angola

[Sary, pejy 140]

Komitin’ny Sampana: (avy eo ankavia miankavanana): João Mancoca, Steve Starycki, Silvestre Simão, Domingos Mateus, José Casimiro

[Sary, pejy 140, 141]

Fianakavian’ny Betela teto Angola tamin’ny 1996, fony vao niforona ny sampana

[Sary, pejy 142]

Mpianakavin’ny Betela vitsivitsy nijoro tamin’ny finoany na dia nampijalijalina aza: 1) Antunes Tiago Paulo, 2) Domingos Kambongolo, 3) Justino César

[Sary, pejy 147]

Carlos Cadi