Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arzantina

Arzantina

Arzantina

Miantoraka 4 000 kilaometatra eo ho eo manaraka ny ilany atsimoatsinanan’i Amerika Atsimo i Arzantina, ary ahitana vohon-tany maro isan-karazany. Eo ireo Tendrombohitra Andes minifintsofa, ka misy manerinerina any amin’ny 6 000 metatra mahery ny tendrony. Any avaratra no misy ala tropikaly andehandehanan’ny jagoara (sakadia lehibe) sy ny tapira (biby mampinono mitovitovy amin’ny lambo). Any amin’ireo rano mamanalan’i Terre de Feu any atsimo kosa no ilalaovan’ny “pingouin” (voron-dranomasina tsy manidina) sy ny trozona, ary misavoana hatrany amin’ny 30 metatra ny onja. Ary eny amin’ireo tany lemaka no ahitana “gauchos” (mpiandry omby eto Arzantina) mitaingin-tsoavaly manara-maso an’ireo toeram-piompiana omby midadasika.

Na aiza na aiza alehanao eto, dia hahitanao Vavolombelon’i Jehovah. Hitanao any amin’ny tanàn-dehibe sy ny tanàna rehetra manerana an’i Arzantina izy ireo. Maherin’ny 120 000 izy ireo no mitory any an-tendrombohitra, any amin’ny ala mikitroka, eny amin’ny tany lemaka, ary eny amin’ny morontsiraka rehetra. Ahitanao azy eny amin’ireo tranobe manaka-danitra eto an-drenivohitra, nefa ahitanao azy koa any amin’ny vohitra kely faran’izay lavitra. Tsy voasakana ny fitoriana ny vaovao tsara na eo aza ny fahasamihafan’ny vohon-tany, ny sakana ara-kolontsaina sy ara-piteny, na ny fahasahiranana ara-bola. Mbola torina ny vaovao tsara, araka ny efa nolazain’i Jesosy. — Marka 13:10.

Tsy noho ny kisendrasendra akory izany. Lehilahy sy vehivavy vita fanoloran-tena, feno zotom-po sy finoana, izy ireo, ary tapa-kevitra ny hanambara ny hafatra ao amin’ny Baiboly, na inona na inona tarehin-javatra nisy azy. Noraisiny am-po izao torohevitry ny apostoly Paoly ho an’i Timoty izao: “Mitoria ny teny, manaova izany amim-pahamehana, na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra”. (2 Tim. 4:2, NW ). Tsy heveriny ho noho ny herin’ny tenany manokana anefa no nahavitany izany. Eken’izy ireo fa noho ny fanahin’i Jehovah ihany no nahavitany izany. — Zak. 4:6.

Napetraka ny fototra

Rehefa zohina, dia napetraka efa an-taonany maro lasa izay ny fototr’ilay asa natao teto. Tena manatanjaka ny finoana tokoa ny mamaky ny fitantarana ny amin’ny fomba nahatongavan’ny fahamarinana tany amin’ny faritra lavitra indrindra eto Arzantina. Tonga tatỳ Amerika Atsimo tamin’ny 1923 i George Young, izay avy tany Kanada. Nitory tany amin’ny faritra maro tatsy Brezila izy, ary nanketo Arzantina nony avy eo. Nizara boky 1 480 sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly hafa 300 000 tany amin’ny tanàn-dehibe 25 teto Arzantina izy, tao anatin’ny volana vitsivitsy. Talohan’ny nanohizany ny dia misionerany tany amin’ny tany hafa tatỳ Amerika Atsimo, dia hoy ny nomarihiny: “Tena niharihary fa nankasitrahan’Andriamanitra ny ezaka natao mba hampielezana ny hafatra momba ilay fanjakana.”

Tamin’ny 1924, dia nanendry lehilahy espaniola iray nantsoina hoe Juan Muñiz hanompo teto Arzantina i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izany fotoana izany. Roa taona taorian’izay, dia nanorina biraon’ny sampan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana teto Buenos Aires ny Rahalahy Muñiz, mba hikarakarana ny asa fitoriana ilay Fanjakana teto Arzantina sy tatsy Orogoay sy Paragoay ary Silia.

Tsikaritry ny Rahalahy Muñiz fa nisy olona maro niteny alemà teto Arzantina, ka nangataka fanampiana izy mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’izy ireny koa. Nirahin’ny Rahalahy Rutherford àry i Carlos Ott, mpitory manontolo andro alemà, mba hanampy an’ireo olona niteny alemà.

Nisy Grika maro koa teto Arzantina. Tamin’ny 1930, dia nandre ny hafatra ao amin’ny Baiboly i Nicolás Argyrós, izay nanam-piaviana grika, ka nanomboka nitory tamin’ny olona an-jatony maro niteny grika teto amin’i faritr’i Buenos Aires. Rehefa nihatsara ny fahaizany ny teny espaniola tatỳ aoriana, dia nampiely ny voan’ny Tenin’Andriamanitra tany amin’ny provansy 14 tamin’ireo 22 teto Arzantina izy, ka nifantoka tany amin’ny tapany avaratra.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany koa no tonga Vavolombelon’i Jehovah i Juan Rebacz, poloney, ary nirotsaka ho mpitory manontolo andro izy, niaraka tamin’ny Vavolombelona poloney iray hafa. Niaraka tamin’izy mirahalahy ny mpitory manontolo andro hafa roa lahy, ary namita ny faritany tany amin’ny tapany atsimo izy ireo.

Nasehon’ny tatitra ho an’ny taona 1930 fa zavatra vita an-tsoratra ana hetsiny maro no voazara, tsy tamin’ny teny alemà sy espaniola ary grika ihany, fa tamin’ny teny anglisy, arabo, armenianina, frantsay, hongroà, italianina, kroaty, letonianina, lituanien, poloney, portogey, rosianina, ukrainien, ary yiddish koa.

Koa niorim-paka teo amin’ireo mponina niteny espaniola sy fiteny hafa àry ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra, tao anatin’ny fito taona monja. Tena vanim-potoana mora ho an’ny fitomboana tsy an-kijanona izany.

Tsy vato nisakana ny faritany midadasika

Nidadasika be ilay faritany tokony hiasana, sahabo ho ny ampahatelon’ny velaran-tanin’i Etazonian’i Amerika. Tsy vato nisakana teo amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana anefa izany, ho an’ny Vavolombelona. Nandeha an-tongotra ny sasany, ny hafa nandeha bisikileta na fiarandalamby na soavaly sy sarety.

Teo am-piandohan’ireo taona 1930, dia nanjary niaiky i Armando Menazzi, avy tao amin’ny provansin’i Córdoba, any afovoan-tany, fa nahita ny fahamarinana ny tenany. Namidiny ny garaziny fanamboarana fiarakodia simba, mba hahatongavany ho mpitory manontolo andro. Nividy aotobisy tranainy iray izy tatỳ aoriana, ary namboariny ho trano fiara ilay izy, mba hahafahan’ny mpitory folo na mahery hiara-dia mba hampiely ny vaovao tsara. Provansy folo, fara fahakeliny, no notetezin’izy ireo tany avaratra.

Tamin’ireo taona 1930, dia nanana ny lalamby feno indrindra tatỳ Amerika Latinina i Arzantina, satria nahatratra maherin’ny 40 000 kilaometatra ny halavany. Tena nanampy be dia be tamin’ny fanitarana ny asa fitoriana izany. Voatendry hitory teny amin’ireo tanàna vao niforona nanaraka ny ampahany tamin’ny lalamby, ny mpisava lalana sasany. Ny faritany niasan’i José Reindl, ohatra, dia ny lalamby andrefana manontolo, nanomboka teto amin’ny Provansin’i Buenos Aires atỳ amin’ny Morontsirak’i Atlantika ka hatrany amin’ny Provansin’i Mendoza any akaikin’ny sisin-tanin’i Silia, izany hoe maherin’ny 1 000 kilaometatra!

Nisy mpiasan’ny lalamby ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nohararaotiny ilay fahafahana nananany mba hitondrana ny hafatra ara-baiboly tany amin’ny toerana lavitra teto Arzantina. Nianatra ny fahamarinana tany amin’ny provansin’i Santa Fe, any avaratratsinanana, i Epifanio Aguiar. Nafindran’ilay kompanian’ny lalamby tany lavitra kokoa tany avaratra, tany Chaco, izy. Nanomboka nitory tao avy hatrany izy. Tsy maintsy nianatsimo indray izy noho ny asany ka nandeha 2 000 kilaometatra nankany Chubut, ary avy eo niverina nianavaratra nankany Santiago del Estero. Nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana tao amin’ireo provansy ireo izy.

Nitory tao Médanos, tokony ho 50 kilaometatra avy eo amin’ny tanànan’i Bahía Blanca, ny Anabavy Rina de Midolini, izay mpisava lalana be zotom-po. Nentiny tamin’ny fiarandalamby ny bisikiletany, izay nampiasainy tsara rehefa tonga tany amin’izay nalehany izy. Nantsoin’ny olona hoe ramatoa Baiboly mitaingina bisikileta izy. Fantatry ny olona tsara mihitsy izy, hany ka indray andro, rehefa voamariky ny mpitondra ny fiarandalamby fa mbola tsy tonga ilay anabavy tamin’ilay dia niverina, dia nahemony ny ora fiaingan’ny fiarandalamby, mba hiandrasana azy!

Tonga ny misionera niofana tany Gileada

Nizara zavatra vita an-tsoratra be dia be tany amin’ny faritra maro noteteziny ireo Vavolombelona tany am-boalohany, ka nampiseho tamin’ny olona ilay fanantenana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia niharihary fa nilaina ny nampianatra ny Baiboly tamin’ny fomba voalamina sy ny nanatsara ny fandaminana ny asa. Nitsidika an’i Arzantina i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1945, ka nanome toromarika an’ireo kongregasiona mba hanomboka hanao ny Cours pour le ministère théocratique (Sekolin’ny Fanompoana Teokratika) tamin’ny teny espaniola. Nampirisihiny koa ireo rahalahy teto Arzantina mba hirotsaka ho mpisava lalana, ka hametra ho tanjona ny hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileadan’ny Tilikambo Fiambenana.

Tsy ela dia nisy roa avy teto Arzantina nanatrika ny Sekolin’i Gileada, ary niverina teto izy ireo tamin’ny 1946. Nisy misionera hafa avy tany an-tany hafa tonga tamin’ny 1948. Anisan’izany i Charles sy i Lorene Eisenhower, i Viola Eisenhower, i Helen Nichols, ary i Helen Wilson avy tamin’ny kilasin’i Gileada voalohany, ary koa i Roberta Miller avy tamin’ny kilasy fahefatra. Tonga tatỳ aoriana i Sophie Soviak, i Edith Morgan, i Ethel Tischhauser, i Mary Helmbrecht, ary ny maro hafa. Nisy misionera 78 nirahina nanketo Arzantina, tao anatin’ireo taona maro lasa. Nandrisika ny Vavolombelona teto an-toerana hanahaka azy ireny, ny fahazotoany mitory ny filazantsara. Nisy mpisava lalana 20 teto Arzantina tamin’ny 1940, kanefa nitombo ho 382 ny isan’izy ireo tamin’ny 1960. Misy mpisava lalana maherin’ny 15 000 eto Arzantina ankehitriny.

Fiatrehana vanim-potoana sarotra

Hita ho vanim-potoana mora ny fotoana nitoriana teto Arzantina, nandritra ny taona maro. Nambaran’i Jesosy mialoha anefa fa tsy ny rehetra no ho faly amin’ny asan’ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:20). Araka izany, rehefa nitsidika an’i Arzantina ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1949, dia nofoanan’ny polisy tampoka ny fahazoan-dalana hanao fivoriambe tao amin’ny trano iray faran’izay tsara teto Buenos Aires. Koa natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray àry ilay fivoriambe. Nisy fanakantsakanana anefa. Notapahin’ny polisy ny lahatenin’ny Rahalahy Knorr ny alahady tamin’ny 4.40 ora tolakandro, ary nosamboriny izy mbamin’ireo nanatrika teo. Tsy nilaza ny anton’ilay fisamborana ny polisy. Nasain’ny manam-pahefana nijoro nandritra ny ora maro teo amin’ny tokotany lehibe iray ireo rahalahy, mandra-pahamarainan’ny andro. Nafahana izy ireo nony avy eo.

Miharihary fa nanomboka nitsoka namely ny mpivavaka tamin’i Jehovah teto Arzantina ny rivotry ny fanoherana. Tamin’io taona io ihany, noho ny fandrisihan’ny Eglizy Katolika, dia nolanina ny volavolan-dalàna iray, izay nitaky tamin’ny fivavahana rehetra ny hisoratany anarana tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fivavahana ao Amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Ny taona nanaraka, dia nandrara tamin’ny fomba ofisialy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina ny fitondram-panjakana notantanan’i Juan Domingo Perón. Norarana ny fivoriana ampahibemason’ny Vavolombelon’i Jehovah ary koa ny asa fitoriany. Tsy nakatona anefa ny biraon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

Tamin’ny ankapobeny, dia navelan’ny manam-pahefana hanohy ny asany ny Vavolombelona, ary tsy dia sarotiny firy ry zareo. Matetika anefa no nampihatra ilay fandrarana ny manam-pahefana tamin’ny nanafoanany fivoriambe iray na tamin’ny nanakatonany Efitrano Fanjakana. Indraindray koa dia nosamborina sy nilana vaniny ny Vavolombelona rehefa nivory tany an-tranon’olona manokana na rehefa nandray anjara tamin’ny fanompoany ampahibemaso.

Koa niezaka ny ho “malina tahaka ny bibilava” àry ny Vavolombelona. (Matio 10:16, NW ). Ny Baiboly ihany no nampiasainy rehefa nitory. Notsinjaraina ho kely kokoa ny kongregasiona, ka mpitory 8 ka hatramin’ny 12 monja no nampiarahina. Novaovana tsy tapaka ny toeram-pivoriana, nandritra ireo taona vitsivitsy voalohany nisian’ilay fandrarana. Nahita toerana tsy dia voamarika firy nivoriana ireo rahalahy: na toeram-piterena omby izany, na trano nitafo bozaka, na lakozian’ny toeram-pambolena, na teo ambanin’ny hazo mihitsy aza. Ny zava-dehibe dia ny hoe nivory ry zareo. — Heb. 10:24, 25.

Nitsidika indray an’i Arzantina ny Rahalahy Knorr, niaraka tamin’i Milton Henschel, tamin’ny 1953, mba hampaherezana an’ireo rahalahy. Tsy afaka nanao fivoriambe lehibe izy ireo sao nisarika ny sain’ny olona, satria mbola teo ny fandrarana. Na izany aza, dia nandamina fivoriambe nanerana ilay firenena izy ireo. Nandeha fiaramanidina avy tatsy Silia nankany Mendoza ny Rahalahy Knorr, fa ny Rahalahy Henschel kosa avy tatsy Paragoay no niditra teto. Samy nanana ny lalany izy mirahalahy, ary nandaha-teny tany amin’ny “fivoriambe” natao tany amin’ny toerana 56. Natao an-kalamanjana tao amin’ny toeram-pambolen’ny Vavolombelona ny fivoriambe sasany. Nitsidika an’ireo Vavolombelona tafavory izy mirahalahy teto Buenos Aires, ka naharitra adiny roa ny fivoriana tsirairay notarihin’izy ireo. Nanao fivoriana sivy toy izany izy ireo, tao anatin’ny iray andro. Tamin’ny fitambarany, dia nisy 2 505 ny isan’ireo nanatrika an’ireo fivoriambe tena hafakely ireo.

Nihalefy ilay fandrarana

Voaongana ny fitondra-miaramilan’i Juan Perón tamin’ny 1955, ary nanjary maromaro kokoa ireo rahalahy afaka niara-nivory. Raha nanana Efitrano Fanjakana ny kongregasiona, dia nampirisihina hivory tao ireo rahalahy, na dia tsy nametaka soratra fampahafantarana aza. Nitombo tsy an-kijanona ny isan’ny kongregasiona sy ny isan’ny mpitory, noho ny fitahian’i Jehovah, na dia nila vaniny aza ireo manam-pahefana indraindray.

Nanapa-kevitra ny hanao fivoriambe kely tany amin’ny faritra maro samihafa teto Arzantina ny sampana, tamin’ny 1956. Natao tao amin’ny tanànan’i La Plata, tokony ho 60 kilaometatra avy eto Buenos Aires, ny voalohany. Kendakenda ny feon’ireo mpanatrika 300 teo am-panaovana ilay hira voalohany hoe “Miravoravoa, ry Jentilisa!” Nihetsi-po be izy ireo. Sambany izy ireo tao anatin’ny enin-taona vao afaka niara-nivory maro toy izany sady afaka niara-niredona hira.

Na izany aza, dia mbola nanan-kery ilay fandrarana. Rehefa nanandrana nanao fivoriambe tao amin’ny efitranon’ny Les Ambassadeurs teto Buenos Aires ireo rahalahy tamin’ny Desambra 1957, dia nakaton’ny polisy ilay efitrano, rehefa tonga ireo mpanatrika. Notanan’ny polisy ny rahalahy efatra, ka nampangainy ho nanao fivoriana tsy nahazoan-dalana tamin’ny polisy.

Koa satria miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana hivory ny Lalàm-panorenan’i Arzantina, dia nentin’ireo rahalahy teny amin’ny fitsarana ilay raharaha. Nahazo rariny ny Vavolombelona, araka ny didim-pitsarana navoaka tamin’ny 14 Martsa 1958! Izany no fandresena voalohany azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny ady ara-pitsarana teto Arzantina.

Niova indray ny governemanta tamin’ny 1958. Toa nety ho nekena ara-dalàna izao ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina. Nandefasana taratasy manokana nanazava ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny toerany teto Arzantina ny mpanao lalàna sy ny mpampanonta gazety sy ny solombavam-bahoaka ary ny mpitsara rehetra. Nanome fanambarana tsara dia tsara izany, saingy mbola tsy nekena ara-dalàna ihany ny asa.

Tsy nanary toky ny Vavolombelona. Nanomana fangatahana fahalalahana ara-pivavahana izy ireo ny taona nanaraka, ary nandefa izany tany amin’ny fitondram-panjakana. Nisy sonia 322 636 izy io. Nitsidika an’ireo manam-pahefana tao amin’ny fitondrana i Charles Eisenhower, izay solontenan’ny sampana. Nisy taratasy maherin’ny 7 000 tonga avy tany ampitan-dranomasina, nangataka ny hanekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelona. Na izany aza, dia mbola tsy nekena ihany ny asany. Nihanalefaka be anefa ny fihetsiky ny fitondram-panjakana nanoloana ny Vavolombelona. Noho izany, dia nohararaotin’ireo rahalahy ilay vanim-potoana nihamora mba hanatanjahana an’ireo kongregasiona teo amin’ny lafiny ara-panahy.

Nalamina ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tamin’ny 1961, mba hampiofanana mpiandraikitra mpitety faritany sy mpiandraikitra ny kongregasiona. Natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray tao afovoan’i Buenos Aires aloha ilay fianarana naharitra iray volana. Nafindra teto amin’ny biraon’ny sampana ilay sekoly tatỳ aoriana. Koa satria maro kokoa ireo mpiandraikitra ampy fahaizana mba hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra, dia nitombo isan-taona ny isan’ny mpitory sy ny mpisava lalana nandritra ireo taona 1960, ka nahatratra 18 763 ny tampon’isan’ny mpitory ary 1 299 ny tampon’isan’ny mpisava lalana, tamin’ny 1970.

Fanitarana ny sampana

Tsy maintsy nohalehibeazina ny biraon’ny sampana, noho ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Arzantina. Nanomboka tamin’ny 1940, dia tao amin’ny 5646 Lalana Honduras teto Buenos Aires no nisy ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Noravana io trano io, ary naorina teo ihany ny trano vaovao iray lehibe kokoa, izay azo nampiasaina tamin’ny Oktobra 1962.

Teo am-pifaranan’ireo taona 1960, dia nanjary kely loatra indray ilay sampana ka tsy naharaka ny fitomboana. Novidina ny tany iray tao ambadiky ny tranon’ny sampana, ary nanorina trano fonenana sy birao vaovao ny Vavolombelona teto an-toerana. Novidina koa ny trano iray teo amin’ny Lalana Fitz Roy, nifanila tamin’ilay tranon’ny sampana tranainy sy ilay tany vao azo. Natomboka tamin’ny Oktobra 1970 ny fandravana ilay tranon’ny sampana tranainy, ary ny Vavolombelona teto an-toerana izay nahay asa fanorenana no nahaforona ny ankamaroan’ny mpiasa. Nandray anjara koa ny mpiasan’ny Betela, rehefa avy nirava niasa. Tonga mba hanampy koa ny Vavolombelon’i Jehovah avy teny amin’ireo kongregasiona teny akaiky, tamin’ny faran’ny herinandro.

Nampifandraisina ireo trano telo tamin’ny farany, ka nahaforona fitambaran-trano iray ihany. I F. W. Franz, prezidà lefitry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izany fotoana izany, no nanao ny lahateny fitokanana tamin’ny Oktobra 1974. Nihevitra ireo rahalahy teto Arzantina fa azo antoka ho sahaza mandra-pahatongan’ny Haramagedona ilay tranon’ny sampana manontolo, ka hahakarakara izay nilaina teny amin’ny saha. Tsy azony an-tsaina mihitsy anefa fa vao fiandohana fotsiny izany.

Nanapa-kevitra ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’io taona nitokanana ilay sampana io ihany, fa tokony hatao pirinty teto an-toerana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Tsy neken’ny fanjakana ho fivavahana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina tamin’izany fotoana izany. Koa naorina àry ny Asociación Cultural Rioplatense (Fikambanana Koltoralin’i Ony Plate) tamin’ny Desambra 1974, mba hananana masoivoho ara-dalàna afaka nanafatra milina fanontam-pirinty avy tany ivelany. Tonga ny milina iray fanontam-pirinty avy tany Frantsa, ny milina iray fanapahan-taratasy avy tany Alemaina, ary ny milina iray fanjairam-boky avy tany Etazonia. Fanomezana avokoa izy ireo.

Tsy ela anefa dia takatr’ireo mpiasan’ny fanontam-pirinty fa tsy ampy fotsiny ny nanana ireo milina, fa tena nilaina koa ny nahay nampiasa azy ireo. Maro be ny zava-tsarotra tsy maintsy noresena. Akory anefa ny hafalian’izy ireo rehefa nivoaka avy teo amin’ilay milina offset voalohany nampiasain’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana eran-tany Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aprily 1975! Fotoan-dehibe teo amin’ny tantaran’ny fanontam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany.

Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra”

Teo am-piandohan’ny taona 1974, dia nanao fivoriambe iraisam-pirenena tao Río Ceballos sy teto Buenos Aires, nitondra ilay foto-kevitra hoe “Ny Fandresen’Andriamanitra”, ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina. Nisy 15 000 teo ho eo ny mpanatrika.

Natomboka volana maro mialoha ny fanomanana filasiana ampy ho an’ny mpitsidika maro be. Olona maro tsy Vavolombelona no nampiantrano an’ireo mpanatrika mpitsidika, izay nanome porofo tsara dia tsaran’ny fitiavana, tsy ‘tamin’ny teny’ fotsiny, fa ‘tamin’ny asa’ koa. (1 Jaona 3:18). Neken’ny manam-pahefana ny hampiasana kianja lehibe iray nanorenana tanàna lay, izay nasiana trano lay sy trano fiara nitandahatra nilamina tsara, ary koa lalana nomena anarana avy tao amin’ny Soratra Masina. Nisy akony tsara teo amin’ny fiaraha-monina izany rehetra izany.

Nandrahona ny loza

Marina fa nihanitombo ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana, kanefa nanangasanga ny fotoan-tsarotra. Tany an-tsesitany nandritra ny 17 taona mahery i Juan Perón, ary niverina tamin’ny Jona 1973, ka tonga prezidà indray. Nanjary rotidrotiky ny ady anaty akata nifanaovan’ireo ankolafiny mpomba an’i Perón sy ireo tsy mpomba azy, i Arzantina. Nihamafy ny herisetra politika, ary nandray ny fitondrana ny miaramila tamin’ny 24 Martsa 1976.

Noravan’ilay fitondra-miaramila ny Antenimieram-pirenena, ary natombony ny fandripahana an’izay rehetra tao amin’ny antoko havia. Hoy ny fanazavan’ny Ny Boky Rakipahalalana Momba Izao Tontolo Izao (anglisy): “Nanitsakitsaka ny zo sivilin’ny olona maro izy ireo. Olona an’arivony maro no naiditra am-ponja nefa tsy notsaraina akory, ary koa nampijalijalina sy novonoina. Maro tamin’ireny olona ireny no tsy hita popòka. Antsoina hoe los desaparecidos (ireo nanjavona) izy ireny.” Nitombo ny fanaovan’ny polisy andry maso ny zavatra nataon’ny mponina. Nialanalana hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah teo anivon’izany fisafotofotoana politika izany. Na izany aza, dia namoaka lahatsoratra iray nisy sarin’ankizy niamboho saina ny gazety Gente tamin’ny Jolay 1976, ary nolazainy fa zanaka Vavolombelon’i Jehovah, hono, ireo ankizy ireo. Tena tsy marina mihitsy izany! Tsy tany an-tsekoly akory ireo ankizy efatra zanaka Vavolombelona ireo tamin’ilay andro nolazaina fa nakana ilay sary. Ankoatra izany, dia tsy fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tsy manaja marika famantaram-pirenena. Na izany aza, noho ny fampielezan-kevitra ratsy toy izany, dia olona maro no nanomboka nankahala ny Vavolombelona.

Miharihary fa nanjary natahotra izay toa soritry ny fikomiana ny fitondram-panjakana, tao anatin’izany hotakotaka izany. Nitsidika kongregasiona tao amin’ny faritra iray tena nampidi-doza i Carlos Ferencia, mpiandraikitra mpitety faritany, tamin’izany fotoana izany. Vao naharay taratasy avy tany amin’ny biraon’ny sampana izy, ka nilazana fa nadiva horarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina. Teo am-pieritreretana ny voalaza tao amin’ilay taratasy i Carlos teny an-dalana, raha iny nisy fiarakodia nisongona azy, nihodina, ary nanatona azy. Nisy lehilahy telo nivoaka avy tao anatin’ilay fiarakodia, ary nanambana azy tamin’ny basy. Niteny taminy tamin’ny fomba henjankenjana ny iray tamin’izy ireo mba hampisehoany ny kara-panondrony. Nohazavain’i Carlos fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany. Na izany aza, dia nentin’izy ireo tany amin’ny paositry ny polisy izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba tsy ho hitan’izy ireo ilay taratasy.

Nentin’ny polisy tao amin’ny efitra iray maizimaizina i Carlos, ary notarafiny tamin’ny jiro nazava be ny tarehiny. Nitrerona ny iray tamin’izy ireo hoe: “Inona no ao anatin’iny kitapo iny?” Navoaka teo ambonin’ny latabatra ny zavatra tao anatin’ilay kitapony: Baiboly, gazety, ary ilay taratasy!

Hoy ny polisy iray: “Ny Tilikambo Fiambenana marina! Ny Tilikambo Fiambenana! Mpikomy, mpikomy!”

Notenenin’ilay tompon’andraikitra anefa izy hoe: “Mangina ianao. Adala ve ianao e? Ianao angaha mbola tsy nahita Ny Tilikambo Fiambenana mihitsy?”

Niezaka ny ho tony sy ny haneho fanajana hatrany i Carlos. Rehefa avy nozahan’ny polisy ireo zavatra vita an-tsoratra, dia nasain’izy ireo nampiriminy. Nanontany tampoka anefa ny polisy iray hoe: “Inona no ao anatin’iny valopy iny?”

Natolotr’i Carlos an’ilay polisy ilay valopy nisy ny taratasy nalefan’ny Fikambanana, niandry segondra vitsivitsy izy, ary avy eo nanontany hoe: “Aza fady, mahazo miteny kely ve aho?”

“Ia”, hoy ilay manamboninahitra nitraka nijery azy.

Hoy i Carlos nanohy ny teniny: “Takatro fa miezaka ny hitandro ny filaminam-bahoaka ianareo.” Nahasarika ny sain’ilay polisy izany teniny izany. Nasehon’i Carlos azy avy tao amin’ny Baiboly avy eo fa fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly ny toe-javatra feno herisetra tamin’izay fotoana izay.

Rehefa vita ny tenin’i Carlos, dia hoy ilay polisy: “Marina ny anao, ry sakaiza.” Naveriny tamin’i Carlos ilay taratasy nony avy eo, fa tsy novakiny akory.

Fandrarana ny asa efa voarara

Ahoana no nahafantaran’ny biraon’ny sampana fa nadiva horarana ny asa? Nanao bemidina tao amin’ny sampan’ny Fikambanana ny polisy federaly, tamin’ny faramparan’ny Aogositra 1976. Nilaza ilay inspektera tompon’andraikitra fa nitahiry fitaovam-piadiana, hono, ny sampana. Nitondra azy ireo tao amin’ny faritra fitahirizana zavatra vita an-tsoratra i Humberto Cairo, izay anisan’ny Komitin’ny Sampana tamin’izany fotoana izany. Mazava ho azy fa tsy nisy basy tao, afa-tsy ny basy nanambanan’ny polisy an’i Humberto ihany! Nentin’ny polisy tao ambony rihana tao amin’ny biraon’ny Rahalahy Eisenhower, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana, izy. Tao ilay inspektera dia nanao an-tsoratra tatitra momba ny vokatr’ilay fisavana, ary nasainy nosoniavin’ireo rahalahy ilay izy. Nilaza tamin’ireo rahalahy izy tamin’izay fa nadiva hamoaka didy momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondram-panjakana. Avy hatrany dia nanoratra ilay taratasy ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany ny Komitin’ny Sampana, ka nanome toromarika azy ireo hiomana ho amin’ny fandrarana.

Efa voarara nanomboka tamin’ny 1950 anefa ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina. Mbola ho azo rarana ihany ve ilay asa efa voarara? Vetivety dia fantatra ny valiny. Tsaroan’i Tomás Kardos, anisan’ny Komitin’ny Sampana, ny zava-nitranga tamin’ny 7 Septambra 1976. Tamin’io andro io no nanan-kery ilay fandrarana vaovao. Hoy izy: “Taitra izahay tamin’ny dimy maraina, fa nahare feon-javatra avy teny amin’ny arabe. Nisy jiro mena nazava be nitaratra avy tany ivelan’ny varavarankely. Nitsangana haingana ny vadiko, nitsirika teo am-baravarankely, nitodika nijery ahy, ary niteny fotsiny hoe: ‘Tonga ry zareo.’ ”

Nisy polisy efatra nirongo fiadiana nivoaka avy tao amin’ny kamiao iray fitondrana voafonja. Nasiana mpiambina avy hatrany teo amin’ny birao sy ny trano fanaovam-pirinty. Nanohy ny teniny toy izao ny Rahalahy Kardos: “Nanontany izahay raha afaka nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro toy ny fanaonay mahazatra, ary raha afaka nisakafo maraina. Tsy nanda ireo polisy. Koa niara-nandinika andinin-teny iray tao amin’ny Baiboly àry izahay iny maraina iny, raha mbola nisy polisy iray nitam-piadiana niambina ny varavarana ary nisy iray hafa niara-nipetraka taminay, nanaja tsara. Nanontany tena izahay rehetra hoe: ‘Inona no hitranga izao?’ ”

Nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Arzantina ilay didy nivoaka tamin’ny 31 Aogositra 1976, izay nandrara ny asa efa voarara nanomboka tamin’ny 1950, raha ny marina. Nohidian’ny polisy ny biraon’ny sampana sy ny trano fanontam-pirinty. Fotoana fohy taorian’izay, dia nakatona ny Efitrano Fanjakana rehetra teto Arzantina.

Na teo aza izany, dia tapa-kevitra ny hanahaka ny ohatr’ireo apostolin’i Jesosy ireo rahalahy, ka hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona. (Asa. 5:29). Nanohy nitory ny hafatra ao amin’ny Baiboly ‘tamin’ny vanim-potoana sarotra’ ny Vavolombelona teto Arzantina. — 2 Tim. 4:2, NW.

Fandresena zava-tsarotra

Koa satria nakatona tamin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny sampana, dia nanapa-kevitra ny hamindra toerana an’ireo birao sy ny toerana fanontam-pirinty ny Komitin’ny Sampana. Voatery niovaova birao matetika — isam-bolana teo ho eo — i Humberto Cairo: Niasa tany an-trano, tany amin’ny toeram-pivarotana, na tany amin’ny biraon’ny mpiray finoana taminy izy. Indray mandeha dia niasa tao amin’ny toerana iray fitahirizan-divain’ny rahalahy iray i Charles Eisenhower. Nanao ny fivoriany tao amin’ny garazy teto Buenos Aires ny Komitin’ny Sampana.

Tsy nakatona ny toeram-ponenan’ny fianakavian’ny Betela, koa nisakafo sy natory tao amin’ny Trano Betela ireo mpianakavin’ny Betela ary niara-nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro. Namonjy ny toeram-piasany avy izy ireo nony avy eo. Ireo izay niasa teny akaiky dia niverina tato amin’ny Betela tamin’ny antoandro mba hiara-misakafo tamin’ireo nikarakara ny trano.

Niahiahy momba ny asan’ireo nipetraka tato amin’ny Betela ny polisy. Imbetsaka ny mpianakavin’ny Betela rehetra izay nisy folo teo ho eo, no nentina hofotorana tany amin’ny foiben’ny polisy. Tian’ny polisy ho fantatra ny zava-drehetra momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina. Iza no niandraikitra an’ireo kongregasiona teto an-toerana, ary aiza izy ireo no nipetraka? Tsaroan’ny Rahalahy Eisenhower tsara ireny famotorana ireny: “Tsy maintsy nilaza ny marina izahay, kanefa tsy tokony hampidi-doza ny asan’ireo rahalahy koa. Tena sarotra izany, satria nisesy tsy an-kiato mihitsy ny fanontanian’ny polisy.”

“Ajanony vetivety ny dite”

Taloha kelin’ny nampiharana ilay fandrarana tamin’ny 1976, dia nalamin’ny Fikambanana ny hizarana naneran-tany nomerao manokana tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Inona no hatao raha toa ka mbola hisakantsakana bebe kokoa ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondram-panjakana? Izao no tsaroan’i Pablo Giusti, mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany fotoana izany: “Koa satria tsy fantatray izay tokony hatao, dia tsy maintsy nanontany tany amin’ny sampana izahay. Raha hitan’ny sampana fa fahendrena ny nampihemotra ilay fanelezana, dia haharay telegrama nisy izao hafatra izao ireo loholona: ‘Ajanony vetivety ny dite.’ Tsy azonay an-tsaina mihitsy fa hisy ho diso fandray an’io toromarika io!”

Tsy ela taorian’ny nampiharana ilay didy navoakan’ny fanjakana, dia nitsidika ny Kongregasiona Malargüe ny Rahalahy sy Anabavy Giusti, ary vao voalohany tamin’izay. Tany atsimon’i Mendoza, izay nisy ny foiben’ny polisy nanara-maso ny sisin-tany, no nisy azy io. Ny adiresin’ny loholona iray nipetraka sy niasa tao amin’ny National Highway Service, teny an-tsisin’ilay tanàna, ihany no nananan-dry Giusti. Tsy tao ilay loholona, kanefa nilaza ny mpiasa iray hoe nety ho teny amin’ilay ala kely teny akaiky izy, satria matetika izy no nanao fanatanjahan-tena teny. Voamariky ny Rahalahy Giusti fa nitokana be sady tsy nisy olona mihitsy ilay toerana nalehan’izy ireo, nanaraka ny lalan-kely. Nieritreritra tampoka izy hoe toerana nety tsara mba hanaovana fivoriana ilay izy, sady tsy nety hampiahiahy ny hafa. Koa satria alahady ny andro tamin’izay, dia nanontany tena izy raha hahita ny kongregasiona niara-nivory. Irery anefa ilay rahalahy, ary nanao fanatanjahan-tena. Ho gaga izao ry Giusti!

Nampahafantatra ny tenany i Pablo, ary nanontany momba ny kongregasiona. Hoy ilay rahalahy: “Najanonay vetivety avokoa ange ny zava-drehetra teto Malargüe e.”

“Ny zava-drehetra inona?”, hoy i Pablo.

Tsotra sady nivantana ny valin-tenin’ilay rahalahy: “Naharay telegrama izahay hoe ‘Ajanony vetivety ny dite’, dia najanonay vetivety ny fivoriana, ny fitoriana, (...) ny zava-drehetra e.” Soa ihany fa io ihany no kongregasiona nanao izany.

Fitsidihana toy ny tselatra

Rehefa nakatona ny sampana, dia nivory niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny Komitin’ny Sampana, mba hanomezana azy ireo toromarika ny amin’ny fomba hanohizany ny asany. Nilazana izy ireo hitady asa tapa-potoana sy hanana adiresy raikitra, mba tsy hananan’ny fanjakana ahiahy firy momba ny asany. Nivarotra entana isan-karazany ny ankamaroan’izy ireo ny maraina, ary nitsidika ny kongregasiona kosa ny tolakandro.

Nanao fitsidihana toy ny tselatra nitety ny fizaran-taniny ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, mba hanazava ireo toromarika avy tany amin’ny sampana. Tao anatin’ny herinandro monja, dia voatsidika ireo loholona tao amin’ny fizaran-tany tsirairay nisy kongregasiona 20 teo ho eo. Nanome toromarika momba ny fomba fitarika fivoriana sy ny fomba fitory tao anatin’ilay tarehin-javatra niova, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nilazana koa ireo loholona fa tsy voatery haharitra herinandro maninjitra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, fa hiankina amin’ny isan’ny fianarana ny boky tao amin’ny kongregasiona izany. Hatao any an-tranon’olona manokana ny fivoriana, ka hahazo fitsidihana iray andro ny fianarana ny boky tsirairay.

Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampifandraisana an’ireo mpitory tamin’ny Komitin’ny Sampana ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, nandritra ilay fandrarana. Mpiandraikitra ny fizaran-tany nandritra ilay fandrarana i Mario Menna, ary izao no tsaroany: “Tombontsoa tokoa ny nitsidika an’ireo kongregasiona sy ny nampahery an’ireo rahalahy nandritra ireny taona ireny. Niezaka nampahery azy ireo izahay, ka nampihaino azy fandaharan’ny fivoriambe nalaina feo, nizara taminy zavatra vita an-tsoratra vaovao azonay avy tany amin’ireo tany etsy akaiky, na nitantara zava-nitranga mampahery.”

Inona no hataon’ny misionera?

Nihamafy ilay hotakotaka. Koa satria tsy nankasitrahana ireo vahiny, dia nomena fahafahana hifindra faritany ny misionera. Nisy nanaiky an’ilay fanasana ka nanompo tamim-pahatokiana tany amin’ny toerana vaovao nanendrena azy.

Ny hafa kosa nijanona teto Arzantina. Nanompo tao Rosario, any Santa Fe, i Mary Helmbrecht, izay avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-13. Ny maraina nanombohan’ilay fandrarana nanan-kery, dia nitsidika trano iray izy ary nampaneno ny lakolosim-baravarana. Marainam-pahavaratra nafana tamin’izay, ka nisokatra ilay varavarana. Nandeha mafy ny radio iray. Tampoka teo, dia ren’i Mary ny filazana fohy hoe voarara nanerana an’i Arzantina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah! “Rehefa nivoaka teo am-baravarana ilay ramatoa”, hoy i Mary, “dia niezaka ny ho tony aho, ary nitory taminy toy ny mahazatra. Nanohy nitory izahay iny maraina tontolo iny, araka ny efa niomananay. Tsapanay fa tsy nisy olana lehibe teo amin’ny nisy anay, ka nanapa-kevitra ny hijanona izahay. Soa ihany fa nijanona izahay. Nisy raiki-tahotra loatra tao amin’ny kongregasiona ka tsy sahy nitory. Rehefa hitany fa tsy naninona izahay, tsy ela dia niara-nitory taminay koa izy ireo.” — 1 Tes. 5:11.

Harena niafina

Niseho ho be herim-po sady nahita hevitra foana ny Vavolombelona teto an-toerana, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Hoy ny fitantaran’i Robert Nieto: “Nampiomana anay ny mpitsara tsara fanahy iray fa hakatona ireo Efitrano Fanjakana, ary halain’ny fanjakana ireo zavatra vita an-tsoratra. Avy hatrany dia nitondra fiarakodia roa nankany amin’ny Efitrano Fanjakananay izahay, mba haka an’ireo zavatra vita an-tsoratra be dia be notahirizinay tao. Nony hanainga izahay, dia hitanay avy tao aoriana ny polisy sy ny miaramila tonga mba hanatanteraka ilay baiko hanakatona ilay Efitrano Fanjakana sy haka ireo zavatra vita an-tsoratra. Ilay tapany voalohany tamin’ilay asa nanirahana azy ihany anefa no azony notanterahina, satria ny hany boky tavela tao amin’ilay efitrano dia ireo tao amin’ny fitahirizam-boky.”

Niditra alina tao amin’ny Efitrano Fanjakanany ireo loholona malina tany an-toeran-kafa, ary nanaisotra mangingina ireo zavatra vita an-tsoratra. Nataon’izy ireo tao anaty fonosana kely izy ireny tatỳ aoriana, ka nozarazarainy tamin’ireo rahalahy.

Nanafina zavatra vita an-tsoratra tao an-tranony i Nérida de Luna, tao Tucumán. Hoy ny fitantarany: “Nanafina boky tao anaty tavim-boninkazo sy vazy lehibe izahay, ka nasianay zavamaniry tsy voajanahary teo amboniny, ary avy eo nafeninay tao amin’ny efitra fanasan-damba ireo baoritra fasiana boky. Indray maraina, dia nisy miaramila roa nanao sava hao ny trano manontolo, anisan’izany ny efitra fanasan-damba, fa izahay kosa nijoro nivavaka mafy. Tsy nahita na inona na inona izy ireo.”

Famatsiana sakafo ara-panahy

Mazava ho azy fa tsy ela dia lany ireo zavatra vita an-tsoratra voavonjin’ireo rahalahy sady nafeniny. Nanohy nanome sakafo ara-panahy ho azy ireo anefa i Jehovah. Marina fa nakatona ilay fanontam-pirinty tao amin’ny Lalana Fitz Roy, kanefa nitohy ihany ny fanontam-pirinty tany an-toeran-kafa teto Buenos Aires. Natao pirinty tany amin’ny provansin’i Santa Fe sy i Córdoba koa ny gazety. Nalefa mba hakambana tany an-toeran-kafa ireo pejy vita pirinty. Teo am-boalohany, dia nahazo gazety iray monja isaky ny iray fianarana gazety ny kongregasiona, kanefa nampitomboina ny isan’ny gazety tatỳ aoriana ka nanjary iray isaky ny mpitory. Fitambaran-trano roa monja no nanelanelana ny biraon’ny prezidàn’i Arzantina sy ny trano iray nanaovana ny iray tamin’ireny fanontam-pirinty ireny, tao amin’ny efitra nifanolotra tamin’ny tafony.

Nandray anjara tamin’ny fanontana sy ny fandefasana zavatra vita an-tsoratra nandritra ilay fandrarana i Rubén Carlucci. Tsaroany ny fotoana nampiomanan’ny tompon’ilay trano nanaovana ilay fanontam-pirinty fa nanao sava hao isan-trano ny polisy miaramila. Avy hatrany dia najanon’ireo rahalahy ny fanontana nataony, ka nampidiriny haingana tao anaty kamiao ny zava-drehetra, afa-tsy ilay milina fanontam-pirinty. Izao no tsaroan’i Rubén: “Maro be tokoa ireo nanao ilay sava hao, hany ka voahodidina izahay, ka tsy afaka nandao an’ilay faritra. Nahatsikaritra hotely fisakafoana iray teo akaiky izahay, ka niditra tao, ary niandry mandra-pahavitan’ilay fisavana. Voatery niandry adiny efatra izahay, kanefa tsy very maina izany, satria nahazo ny zavatra vita an-tsoratra sarobidy ireo rahalahy.”

“Pepita ilay mpitifitra”

Nakambana mangingina tao amin’ny trano iray vao naorina teto an-drenivohitra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Nokasaina hatao Efitrano Fanjakana io trano io tany am-boalohany. Nandray anjara tamin’ilay fanakambanan-gazety i Luisa Fernández, mpianakavin’ny Betela efa hatramin’ny ela. Indray maraina, raha vao nanomboka niasa i Luisa sy ireo mpiara-miasa taminy, dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Ndray! Inspekteran’ny polisy marina! Nilazany izy ireo fa nametraka fitarainana ny mpiara-monina tamin’izy ireo, satria nitabataba be ilay milina nampiasainy. “Tsy nahagaga mihitsy izany, satria nitabataba aoka izany ilay milina fanjairam-boky, hany ka nomenay anaram-bosotra hoe Pepita la Pistolera (Pepita ilay mpitifitra)”, hoy i Luisa.

Tamin’izay fotoana izay indrindra no tonga ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana, ka nanazava ny zavatra nataonay. Hoy ilay inspektera: “Raha tsy misy olona eto rehefa miverina aho rahariva, dia toy ny tsy nahita na inona na inona aho.” Avy hatrany ireo rahalahy dia nanomboka nampiditra ny zava-drehetra tao anaty kamiao. Tsy nahitana soritr’ilay fanakambanan-gazety teo amin’ilay toerana, rehefa afaka adiny roa.

Nentin’izy ireo taiza ilay milina? Efa nakatona ilay fanontam-pirinty tao amin’ny sampana, kanefa azo natao ny niditra tao amin’ilay trano, avy teo amin’ny varavarana tao andamosina. Nafindran’i Luisa sy ireo namany tao amin’ilay toerana fanontam-pirintin’ny Betela teo aloha ny zava-drehetra, ary nanohy nanakambana an’ireo gazety tao izy ireo, ka tsy nisy nahatsikaritra akory!

Tsara kokoa noho ny orinasa fanamboarana bisikoy

Mba hanontana ireo gazety ka hanaterana azy ireny nanerana an’i Arzantina, dia tena nilaina ny nanangana toerana fanakambanan-gazety tany an-toeran-kafa koa. Mpisava lalana manokana nanomboka tamin’ny 1957 i Leonilda Martineli, ary nandray anjara tamin’ny asa toy izany tao Rosario. Rehefa tonga ireo pejy vita pirinty izay tokony hakambana, dia nanangana latabatra lava iray nametrahana an’ireo pejy araka ny filaharany, ireo rahalahy sy anabavy voatendry. Naka ny pejy voalohany ny mpiasa tsirairay nony avy eo, ka nanomboka nanangona ireo pejy, mandra-pahatongany teo amin’ny pejy farany. Rehefa niangona ho antontany iray ireo gazety efa voatambatra, dia tsy maintsy notsindriana izy ireo mba hivoahan’ny rivotra, mba hahafahana hampiditra gazety maro kokoa tao anaty baoritra. Koa satria tsy nanana milina fanindriana natosiky ny rano izy ireo, dia nanolo-tena hanao ilay asa ny anabavy natavitavy iray. Nipetraka teo ambonin’ny antontan-gazety maromaro izy, mandra-pahatongan’ireny ho fisaka tsara. Nisy olon-kafa namatratra azy ireny nilamina tsara tao anaty baoritra nony avy eo. Nety tsara izany fomba fiasa izany, hany ka nampirisihin’ireo mpiasa mba tsy hampihena tena ilay anabavy!

Natolotry ny fianakaviana Gaitán hanakambanan-gazety ny tranony, tao amin’ny tanànan’i Santa Fe. Na dia nitandrina fatratra aza izy ireo, dia voamariky ny mpiara-monina taminy ireo baoritra nentina niditra sy nivoaka. Nihevitra izy ireo fa nanamboatra bisikoy ry Gaitán. Nafindran’ny sampana tany an-toeran-kafa ilay fanakambanan-gazety tao tatỳ aoriana, tamin’ny 1979. Very hevitra ny mpiara-monina tamin-dry Gaitán, ary nanontany tatỳ aoriana raha nakatona ilay orinasa fanamboarana bisikoy. Hoy ny Anabavy Gaitán rehefa nahatsiaro izany: “Ny ‘bisikoy’ nataonay dia natsiro kokoa sady nahavelona lavitra noho izay noeritreretin’ny mpiara-monina taminay!”

Fanaterana ny zavatra vita an-tsoratra

Mbola zava-tsarotra hafa koa ny nanatitra ireo gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa tany amin’ireo rahalahy. Teto amin’ny tanànan’i Buenos Aires sy ny manodidina, dia nisy lalana fizarana gazety nalamina mba hamatsiana gazety tany amin’ny trano fanatobiana azy ireny izay tsara toerana mihitsy. Indray mandeha, dia nanatitra an’ireo gazety i Rubén Carlucci, ary toerana iray monja sisa no halehany raha nasain’ny polisy iray nijanona tao aorian’ny kamiao fitondrana voafonja ny fiarany. Sady nitaintaina i Rubén no nanaiky ihany, ary nivavaka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Rehefa nijanona izy, dia nanatona ny kamiaony ilay polisy ka niteny hoe: “Aza fady, afaka manampy ahy hanosika ve ianao? Tsy mety velona mantsy ny fiarako.” Nisento i Rubén, nahatsiaro ho maivamaivana erỳ, ary tena vonona ny hanampy tokoa. Falifaly erỳ izy nony avy eo nandeha nanatitra ireo gazety farany!

Mpiandraikitra ny fizaran-tany tao amin’ny faritr’i Rosario, any Santa Fe, i Dante Doboletta tamin’izany fotoana izany, ary izy no naka an’ireo gazety tao amin’ilay toerana fanakambanan-gazety, ka nizara azy ireny tany amin’ny kongregasiona rehetra tao anatin’ny fizaran-taniny. Nidika izany fa nanao dia nandroso sy niverina 200 kilaometatra teo ho eo, indroa isam-bolana, izy, fara fahakeliny. Tamin’ny alina be no nanaovany izany mba tsy hahitana azy, ka rehefa vita ny asany tao amin’ny kongregasiona iray vao nanainga izy, ary rehefa niposaka ny masoandro vao tafaverina izy indraindray. Indray mandeha izy dia nahita fiarakodia maro nitandahatra lava be nijanona teo amin’ny toeram-pisavana iray, izay nisy miaramila maherin’ny 30 nirongo fiadiana, nisava tsara ny taratasin’ny olona tsirairay sy ny entany. Nanontanian’ny miaramila i Dante hoe: “Inona no ao anatin’ny fiaranao?”

“Ny entako”, hoy i Dante.

Hoy ilay miaramila: “Sokafy haingana ny vata ao aoriana.”

Hoy ny navalin’i Dante: “Vavolombelon’i Jehovah izahay. Inona moa no mety hoentinay eo?”

Nandre ilay resaka ny miaramila hafa iray, ka niteny hoe: “Avelao ry zareo handeha. Tsy mba mitondra fitaovam-piadiana na entana ampidirina an-tsokosoko izany mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Afaka nanatitra ireo zavatra vita an-tsoratra nandritra ny roa taona i Dante, ary tsy voasava mihitsy.

Tsy nahafoy ireo fivoriana

Nanomboka tamin’ilay herinandro nampiharana ilay fandrarana, dia ‘tsy nahafoy ny fiarahany mivory’ ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina. (Heb. 10:25, NW ). Matetika izy ireo no nanovaova ny toerana sy ny fotoana nivoriany, ary vitsy kely izy ireo no niara-nivory. Nidika izany fa niasa bebe kokoa ny loholona, izay matetika no tsy maintsy nitarika imbetsaka ny fivoriana iray ihany tany amin’ny tokantrano samy hafa.

Ny hany trano azo nivoriana tao amin’ny tanàna kelin’i Totoras, dia teo afovoan’ilay tanàna. Vao mainka àry nitandrina bebe kokoa ny Vavolombelona teo an-toerana. Nanao latabatra toa tsotra izay nisy vatasarihana nametrahana entana isan-karazany ny Rahalahy Reverberi, ilay tompon-trano. Azo ningaina anefa ny tampony, ary nisy toerana azo nanafenana boky sy gazety tao anatiny. Rehefa nisy nandondòna tao am-baravarana, dia nafenina haingana tao anatin’ilay latabatra ny zavatra vita an-tsoratra rehetra!

Nanao akanjo fitondra andavanandro ireo mpitory rehefa nandeha nivory. Indraindray dia mbola nisy vy fanolanam-bolo ny volon’ny anabavy, nanao pataloa izy ireo, ary nitondra harona fiantsenana. Fantatra tamin’ny anaram-bosotra mahate ho tia hoe mateadas ireo fivoriana. Dite ny maté, ary matetika no sotroina miaraka amin’ny bisikoy na mofomamy. Fanao tena mahazatra eto Arzantina ny miara-misotro dite, koa tena nety tsara ny fanaovana izany mba tsy hahafantaran’ny olona fa nanao fivoriana ara-panahy izy ireo.

Nisy fotoana nampitebiteby anefa. Anabavy nahatoky izay tia nandray vahiny i Teresa Spadini, ary nanana laza faran’izay tsara teo amin’ny fiaraha-monina. Nisy olona 35 tafavory tao an-tranony, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tampoka teo, dia iny nisy fiara nanao fisafoana nijanona teo anoloan’ny tranony, ary nandondòna teo am-baravarany ny polisy iray. Avy hatrany dia nipetraka niaraka tamin’ny hafa ilay rahalahy nandaha-teny. Nanokatra ny varavarana i Teresa, ary hoy ilay polisy: “Teresa a, azoko ampiasaina ve ny telefaoninao?”

Rehefa hitan’ilay polisy ireo olona tafavory teo, dia hoy i Teresa nanazava: “Manao fivoriam-pianakaviana izahay.” Rehefa niantso ny paositry ny polisy ilay rangahy, dia nitaintaina avokoa ireo nanatrika teo, satria nieritreritra fa hangataka kamiao fitondrana voafonja izy mba hitondrana azy rehetra. Nahatsiaro ho maivamaivana anefa izy ireo fa raharaha hafa no antony niantsoan’ilay polisy. Rehefa vita ny antsony, dia nitodika tany amin’i Teresa izy ary nisaotra azy. Nijery an’ireo olona tafavory teo izy nony avy eo, ka nilaza hoe: “Aza fady fa nanapaka ny fivorianareo aho. Mazotoa e!”

Fanaovan’ny polisy bemidina

Rehefa nivory ho amin’ny batisa ny rahalahy maromaro, dia nitati-bolana tany amin’ny polisy ny mpiara-monina iray. Efa nomanin’ireo rahalahy ny hanao asado, na fitonoan-kena, mba tsy hahafantaran’ny olona ny tena anton’ilay fivoriana, koa notohiziny ihany ny nataony. Tian’ny olona eto Arzantina tokoa ny hena atono, ka tsy nampaninona ny rehetra ny niara-nihinana io zavatra matsiro io, mba tsy hahafantarana ny tena nataony. Rehefa tonga ireo “vahiny” tsy nasaina izay nandeha tamin’ny kamiaon’ny tafika, dia nandray azy tsara ireo rahalahy sy anabavy ka nanasa azy hiaraka taminy tamin’ilay fiaraha-nikorana nahafinaritra. Nanda ilay fanasana ireo miaramila ka lasa, ary tsy hitany akory hoe inona no “tsindrin-tsakafo”!

Indraindray dia fiarovana koa ny teny nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’izy samy izy. Niantso ny polisy ny mpiara-monina tamin’izy ireo indray mandeha, ka nitati-bolana tany hoe nanao fivoriana tao an-tranon’olona manokana ny Vavolombelona. Efa lasa avokoa ny rehetra, afa-tsy ireo loholona, nony tonga ny polisy. Nandondòna teo am-baravarana ny polisy, ary nilaza ilay anabavy nipetraka tao hoe: “Efa lasa avokoa ny rehetra afa-tsy ireo mpanampy.”

Hoy ny navalin’ny polisy: “Tsy mitady ny mpanampy izahay, fa ireo tompon’andraikitra!” Nody maina fotsiny izy ireo.

Fitoriana nandritra ilay fandrarana

Nitohy ihany ny fitoriana, na teo aza ny fameperana. Mazava ho azy fa malina ireo rahalahy tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany. Matetika no tsy nihoatra ny roa ny Vavolombelona niara-niasa teo amin’ny faritany iray. Tsaroan’i Sara Schellenberg ny fomba nitsidihany ny olona teto Buenos Aires. Hoy izy: “Nanao sarintany kelin’ny faritany izay omby ny felatananay izahay. Nasiana taratasy nivalombalona teo andamosiny, dia taratasy nisy ny lisitry ny nomeraon’ny trano rehetra. Tsy nitsidika afa-tsy trano iray monja isaky ny ilan’ny fitambaran-trano iray izahay, ary avy eo nanamarika izay vita teo amin’ilay lisitra, mba handehanan’ny mpitory manaraka tao amin’ny trano hafa, rehefa niasa teo amin’ilay faritany izy. Nankeo amin’ny fitambaran-trano hafa indray izahay nony avy eo, ary nitsidika trano hafa.”

Nitory irery i Cecilia Mastronardi, fotoana fohy taorian’ny nanombohana io fomba fiasa io. Raha iny nandondòna teo amin’ny varavarana iray iny indrindra izy, dia nipoitra tampoka ny polisy iray nitaingina môtô. “Nanontaniany aho hoe inona no nataoko teo”, hoy i Cecilia. “Ny hany zavatra azoko noeritreretina dia ny nitory taminy ka nanolotra ilay boky hoe Ahoana no Nampisy ny Olombelona: Evolisiona sa Famoronana? [frantsay]. Nandray ilay boky izy, nanolotra fanomezana, ary nanao veloma. Takatro tamin’izay fa tsy nijanona mba hisambotra ahy izy. Hay, nipetraka tao amin’ilay trano notsidihiko izy!”

Nampiasa fomba maro isan-karazany ireo mpitory mba tsy hahafantarana hoe nitory izy. Ninian’ny anabavy iray natao ny niditra niasa tao amin’ny kompania iray momba ny fanatsaran-tarehy, mba hahafahany handeha isan-trano ka hiresaka tamin’ny mpividy. Enina amby valopolo taona i María Bruno ankehitriny, ary mpisava lalana maharitra efa hatramin’ny 29 taona izy. Nitondra poketra kely nasiany zavamaniry nipoitra kely fotsiny i Maria mba hanintonana ny sain’ny vehivavy mpikarakara tokantrano, izay liana tamin’ny resaka momba ny zaridaina. Tamin’izany fomba izany no nahafahany nanombo-dresaka ka namafy voan’ny fahamarinana.

Mpivarotra i Juan Víctor Buccheri, ary natao batisa raha vantany vao nanomboka nanan-kery ilay fandrarana. Naniry ny hiresaka tamin’ny hafa momba ny vaovao tsara nianarany koa izy. Nisy sary ara-pivavahana sy sarin’olo-malaza tamin’ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly ny rindrin’ny fivarotany teo aloha. Koa nosoloany sarin’ny toerana tsara tarehy nisy andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly, izy ireny. Gaga ireo mpividy! Nitory tamin’ireo nanontany momba ny sary na ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina ny Rahalahy Buccheri, ka afaka nanomboka fampianarana ny Baiboly maherin’ny folo. Nanaiky ny fahamarinana ny sasany, ary mbola rahalahy mahatoky ankehitriny.

Ny olona nitondra Baiboly maitso

Nampiofana ny mpitory teto Arzantina ho tonga mpitory tsara kokoa ny zava-tsarotra nandritra ilay fandrarana. Koa satria ny Baiboly ihany no nampiasainy rehefa nitsidika voalohany izy ireo, dia nanjary havanana tamin’ny fahitana andinin-teny hoenti-mandresy fanoherana sy hoenti-mampahery ny olona izy ireo.

Nampiasa Baiboly hafa ankoatra ny Traduction du monde nouveau izy ireo indraindray, mba tsy hahatonga ny olona hiahiahy momba azy. Nampiasa ny Torres Amat, Baiboly katolika tamin’ny teny espaniola tranainy ny rahalahy iray, raha tojo zavatra tsy nampoiziny. Nihaino azy namaky ireo andinin-teny ilay vehivavy tompon-trano, kanefa tsy azony izay novakiny, ka nilaza izy fa haka Baiboly iray mora azo kokoa ny heviny. Gaga ilay rahalahy fa Traduction du monde nouveau no nentin’ilay ramatoa avy any!

Maitso ny fonon’ny Traduction du monde nouveau nandritra ireny taona ireny. Koa nampitandremana àry ny olona mba tsy hihaino izay nitondra Baiboly maitso. Vitsy anefa ny olona nanaiky ny fameperan’ny fitondram-panjakana, ka vao mainka nanaitra ny fahalianan’ny olona ilay fandrarana. Nanontanian’ny tompon-trano iray ny anabavy iray hoe inona no lokon’ny Baiboliny. Nilaza ny marina ilay anabavy ka namaly hoe maitso, ary dia hoy ilay ramatoa: “Tsara izany fa tiako ho re izay lazain’ny olona mitondra Baiboly maitso.” Nampandrosoiny ilay anabavy, ary nafana ny resaka nifanaovan’izy ireo.

Tany amin’iza ireo boky?

Mbola afaka nampiasa elaela an’ireo zavatra vita an-tsoratra nafeniny ny Vavolombelona teto Arzantina, rehefa nitory. Lany ihany anefa ilay tahiry tamin’ny farany, ary tsy afaka nanafatra boky vaovao avy tany ivelany izy ireo. Nohidian’ny manam-pahefana tao amin’ny trano fanatobiana entan’ny sampana anefa ny boky 225 000 nalain’ny fanjakana.

Nanapa-kevitra ny haka an’ireo boky ireo ny polisy federaly, ka hivarotra azy ireo tamin’ny kompania iray mpanodina taratasy efa tonta. Nanao fifanekena tamin’ny mpitatitra entana izy ireo mba hankany amin’ny Betela haka sy hitondra an’ireo boky tany amin’ny toeram-panodinana taratasy efa tonta. Efa nianatra ny Baiboly tamin’ny mpiara-monina taminy, izay Vavolombelon’i Jehovah, anefa ilay mpamily. Rehefa hitany hoe inona no notateriny, dia nanontaniany ilay mpiara-monina taminy taloha raha tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hividy ireo boky ireo taminy. Nokarakaraina ny zavatra nilaina rehetra, ka notaterina tany amin’ny toerana iray notondroin’ny sampana ireo boky, ary nahazoana lalana tamin’ny polisy izany! Koa na teo aza ilay fandrarana, dia azo natao ny nanodina indray ireo boky 225 000, saingy tamin’ny fomba hafa tsy nampoizin’ny manam-pahefana velively!

Nomen’i Jehovah boky navoakan’ny Fikambanana koa ny vahoakany, tamin’ny alalan’ny rahalahy be herim-po izay nanolo-tena hampiditra azy ireny avy tany an-tany hafa. Hoy ny fitantaran’i Norberto González, mpisava lalana maharitra: “Indray mandeha ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana avy tatsy Orogoay, dia nanankina taminay boky fianarana ho amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana niisa 100, izay haterina any amin’ireo rahalahy niantsoroka andraikitra teto Arzantina. Vitanay ny nampiditra ireo boky tena sarobidy ireo teto Arzantina. Nibitaka noho ny hafaliana avokoa izahay rehetra, rehefa tafita soa aman-tsara ny ladoàny.” Angamba ilay rahalahy nanafina boky tao anatin’ny tongo-kazony ihany no tsy afaka nibitaka be toy izany!

Nanjary vao mainka sarobidy kokoa mbola tsy nisy toy izany tamin’ireo Vavolombelona teto Arzantina ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Teo am-piandohan’ilay fandrarana, dia tsy nahazo afa-tsy Ny Tilikambo Fiambenana iray monja ireo niara-nianatra gazety. Iny gazety tokana iny no nampitampitaina tamin’ny mpitory rehetra, izay nandika an’ireo fanontaniana sy valiny hianarana, mba hahafahany handray anjara. (Fil. 4:12). Tsy nisy soratra teo amin’ny fonon’Ny Tilikambo Fiambenana mba tsy hahafantarana izay noraketiny, kanefa tsara dia tsara ny sakafo ara-panahy tao anatiny. Namelona sy nampiray an’ireo rahalahy ireny sakafo manokana ireny.

Ny fomba nanaovana fivoriambe niafina

Voafahana ara-panahy ireo rahalahy teto Arzantina, tamin’ny alalan’ny fivoriana nampiasana zavatra vita an-tsoratra teo am-pelatanany. Ahoana anefa no handraisany soa avy tamin’ny fivoriambe telo fanao isan-taona, izay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-tany hafa? Nantsoina hoe fivoriambe mpitarika ireo fivoriambe voalohany natao taorian’ny nanombohan’ilay fandrarana nanan-kery. Ireo loholona sy ny fianakaviany ihany no nanatrika izany. Naverin’ireo loholona tany amin’ny kongregasionany ilay fandaharana, tatỳ aoriana. Hoy i Héctor Chap, izay mpiandraikitra mpitety faritany tsy mety sasatra hatramin’ny taona maro: “Indraindray izahay dia afaka nanao fivoriambe tany an-tsaha. Biby fiompy no nanodidina anay, satria tany ambanivohitra ilay izy. Tsy voamarikay akory izy ireny, satria revo fatratra nihaino izay nolazaina izahay. Rahalahy maro no nandray feo an’ilay fandaharana mba hohenoin’ireo tsy afaka nanatrika. Fihomehezana moa ny azy ireo tatỳ aoriana, rehefa nihaino ireo lahateny ka nandre koa ny omby nimamà sy ny akoholahy naneno ary ny ampondra nihiaka.”

Nomen’ireo rahalahy anaram-bosotra mahate ho tia hoe “pique-nique” ireo fivoriambe, satria matetika no natao tany ambanivohitra. Toerana tian’izy ireo nanaovana izany teto amin’ny provansin’i Buenos Aires ny faritra iray tany ambanivohitra any akaikin’ny sisin-tanin’i Santa Fe, antsoina hoe Strago Murd. Nety tsara ilay toerana satria voahodidina hazo, ka azo niafenana tsara. Taitra anefa ireo mpanatrika an’ilay “pique-nique” indray andro raha nahita fa voakapa ireo hazo tsara tarehy! Tsy nisy toerana azo niafenana intsony, kanefa nataon’izy ireo ihany ilay “pique-nique”, ka natao lampihazo ho an’ny mpandahateny ny foto-kazo iray, ary ny hafa natao dabilio ho an’ny mpanatrika rehetra.

Toerana hafa iray nanaovan’ireo rahalahy fivoriambe ny orinasan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Nanana kamiao lehibe iray ilay rahalahy tompon’ilay orinasa, ka nampiasainy izy io mba hakana an’ireo naniry hanatrika ilay fivoriambe. Nandeha naka rahalahy 10 ka hatramin’ny 15 tany amin’ny toerana samy hafa ilay mpamily, namatratra azy ireo tao anaty kamiao, niverina tany amin’ilay orinasa, ary nampidina azy ireo teo ambadiky ny varavaran’ny garazy nihidy. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny olona 100 teo ho eo niara-nivory, kanefa tsy tazan’ny manodidina na ny polisy akory. Nankatsy Brezila sy Orogoay ny Vavolombelona hafa teto Arzantina nandritra ireny taona ireny, mba handray soa avy tamin’ny sakafo ara-panahy tany amin’ireo fivoriambe.

Fivoriana tany am-ponja

Maro tamin’ireo rahalahintsika tanora no voasedra noho ny fialanalanany kristianina, na dia talohan’ilay fandrarana tamin’ny 1976 aza. Maro tamin’izy ireo no voaheloka higadra telo ka hatramin’ny enin-taona, noho izy ireo nanaraka ilay foto-pitsipika ara-baiboly ao amin’ny Isaia 2:4 mba tsy “hianatra ady”.

Na dia tany am-ponja aza anefa izy ireo, dia nitady fomba hianarana ny Baiboly sy hivoriana. Dodona koa izy ireo ny hampita ny hafatra momba ilay Fanjakana tany am-ponja. Vonona hitsidika an’ireny tovolahy nahatoky ireny ny loholona avy tao amin’ny kongregasiona teny akaiky, mba hampahery sy hanome ny sakafo ara-panahy tena nilainy.

Nigadra tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1981 tao amin’ny fonja miaramilan’i Magdalena, atỳ amin’ny provansin’i Buenos Aires, i Omar Tschieder, izay miasa ato amin’ny Betela nanomboka tamin’ny 1982. Naiditra am-ponja izy satria tsy nety nanao fanamiana miaramila. Voaforona trano maromaro io fonja io, ka efitra figadrana 20 no nanatrika lalantsara iray. Nirefy roa metatra ny sakan’ny efitra tsirairay, ary telo metatra ny lavany. Nanaovan’ny voafonja Vavolombelona ny fivoriany ireo efitra telo farany teo amin’ilay lalantsara. Nisy 10 ka hatramin’ny 12 monja izy ireo no afaka niara-nivory, koa matetika no nisy fivoriana 8 ka hatramin’ny 14 isan-kerinandro.

Niambina ka nitsirika teo amin’ny lavaka tamin’ny varavarana ny iray tamin’ireo rahalahy, mba hampitandrina ny hafa raha vao nisy olona tamy. Namorona fomba maromaro fampitandremana izy ireo. Indraindray ilay rahalahy mpiambina dia nandondòna teo amin’ny rindrina fotsiny. Indraindray kosa nisy tady nampifandray an’ilay mpiambina tamin’ny mpanatrika hafa iray. Raha vao nisy loza, dia nosintonin’ilay mpiambina ilay tady, ary nampitandrina ny mpanatrika ilay faharoa. Fomba hafa iray ny teny famantarana. Nety ho niantsoantso, ohatra, ilay mpiambina, hoe: “Misy manana valopy ve?” Raha vao henon’ireo rahalahy ilay teny hoe “valopy”, dia niafina izy ireo. Efa samy nanana ny toerana tokony hiafenany ny tsirairay, na tao ambany fandriana izany, na tao ambadiky ny varavarana, na taiza na taiza nety tsy hahitan’ny miaramila mpiambina azy, satria nety ho nitsirika teo amin’ilay lavaka izy io. Tao anatin’ny segondra vitsivitsy monja no nanaovan’izy ireo izany fikoropahana rehetra izany, ary tamim-panginana tanteraka. Tsy maintsy ho nahay nandamin-javatra tsara izy ireo!

Indray mandeha, nandritra ny fivoriana iray, dia niafina haingana ireo rahalahy rehefa nampitandremana fa nisy olon-kafa niditra tao amin’ilay trano. Nanokatra ny varavarana ny voafonja iray tsy Vavolombelon’i Jehovah, ary nametraka zavatra teo ambonin’ny latabatra. Nony hivoaka izy, dia niodina ka nanontany hoe: “Fa nahoana ianareo rehetra no miafina?” Tamin’izay fotoana izay indrindra no nitsoka sifile ny miaramila mpiambina iray, nitady izay te hirotsaka an-tsitrapo hanadio. Koa hoy ny navalin’ireo rahalahy hoe: “Miafina azy izahay.” Takatr’ilay mpitsidika mora foana ny toe-javatra ka lasa haingana izy. Tsy nisy nanelingelina intsony ireo rahalahy mandra-pahavitan’ilay fivoriany.

Fitahirizam-boky niafina

Nanjary nanankinana andraikitra bebe kokoa ny Vavolombelona tany am-ponja, noho ny fitondran-tenany tsara. Ireo rahalahy no nandefa ny milina fanontam-pirinty tao am-ponja, niandraikitra ny toerana fijerena sinema sy ny toeram-pitsaboana ary ny efitra fihetezana. Mendrika an’ireny tombontsoa ireny izy ireo, koa nohararaotiny tamin’ny fomba feno izany mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Nasehon’ny kopian’ny maritranon’ny fonjan’i Magdalena, ohatra, fa mahitsizoro ilay toerana fijerena sinema, na dia boribory aza ny zoron’ny rindrina. Koa nisy toerana malalaka àry tao ambadik’ireo rindrina, tokony ho 2,4 metatra ny haavony, 1,8 metatra ny lavany, ary 1,2 metatra ny sakany. Tena nety tsara ilay izy mba hitahirizana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana!

Nigadra telo taona tao amin’io fonja io i Héctor Varela, ary nohazavainy fa afaka niditra tao amin’io toerana io ireo rahalahy, rehefa nanaisotra takela-drindrina iray tao amin’ilay efitra fandefasana sarimihetsika, ary avy eo nihanika teo amin’ny seza iray. Nisy boky koa nafenina tao amin’ny lalimoara fasiana vilia tao amin’ny efitra fisakafoana.

Indraindray ireo rahalahy dia navela hivoaka ny fonja mba hitsidika vetivety ny havany. Matetika no nohararaotin’izy ireo izany mba hitondrana ny nomerao farany indrindra tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, rehefa niverina tany am-ponja izy ireo. Notantarain’i Rodolfo Domínguez, mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny, ny zava-nitranga indray mandeha: “Nafeninay tao anaty akanjonay Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Rehefa tonga tany am-ponja izahay, dia nisy filaharana lava be satria nanao fisavana tanteraka ireo mpiambina. Nanatona tsikelikely an’ilay toeram-pisavana izahay. Nony teo amin’ny anjaranay indrindra, dia niova ny mpiambina, ary nofoanana ilay fisavana !”

“Nanao ny fivoriana rehetra izahay tany am-ponja”, hoy ny Rahalahy Domínguez nanohy ny teniny. “Tany no nanaovako ny lahateniko ampahibemaso voalohany, raha ny marina.” Nanao fampisehoana tantara ara-baiboly mihitsy aza ireo Vavolombelona nigadra, ka nanao ny akanjo tamin’ny fotoan’ilay tantara. Afaka nanao izany izy ireo, satria nitondra zavatra an’ny tenany manokana rehefa avy nitsidika ny fianakaviany. Tsy azon’ny mpiambina an-tsaina akory hoe hampiasaina ho amin’ny inona ireo kapa sy akanjo rebareba ary ny toy izany.

Fanaovana mpianatra tany am-ponja

Nandroso tsara ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, na dia tany am-ponja aza. Anisan’ny nandray soa avy tamin’ny zotom-pon’ireo rahalahy sy ny fitondran-tenany tsara tany am-ponja i Norberto Hein. Tao amin’ny tafika arzantinina izy raha naiditra am-ponja, satria nampangaina ho nidoroka zava-mahadomelina. Nihaona tamin’ny tovolahy Vavolombelona tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana izy, tany amin’ny fonja maromaro. Nampiaiky volana azy ny fihetsik’izy ireo, ary nangataka ny hianatra ny Baiboly izy, fony nigadra tao amin’ny fonjan’i Puerto Belgrano. Vitany tao anatin’ny iray volana ny fianarana ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nafindra tao amin’ny fonjan’i Magdalena izy tatỳ aoriana, ary natao batisa tany am-ponja tamin’ny 1979.

“Natao indray alahady hariva tokony ho tamin’ny sivy ora ilay lahatenin’ny batisa”, hoy i Norberto teo am-pamisavisana ny lasa. “Nisy folo teo ho eo izahay nanatrika an’ilay izy, fa ny rahalahy hafa kosa niambina teo ivelan’ilay efitra figadrana. Taorian’ilay lahateny, dia niara-nankao ao amin’ny efitra fisakafoana ny tenako sy ny rahalahy roa. Nisy koveta goavana fanasana vilany sy lapoaly tao.” Feno rano mangatsiaka ilay “koveta fanaovana batisa”, ary tsaroan’i Norberto tsara izany satria ririnina ny andro tamin’izay!

Voaenjika izy satria niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, dia nanohy nanompo an’i Jehovah hatrany izy. (Heb. 11:27). Manompo amim-pahatokiana ato amin’ny Betela efa hatramin’ny 15 taona mahery i Norberto sy i María Esther vadiny.

‘Aza mangataka amin’Andriamanitra hanasazy ahy’

Naneho fandeferana tamin’ny Vavolombelona ny ankamaroan’ny mpiambina ny fonja. Ny sasany anefa tsy mba toy izany. Ny lehiben’ny mpiambina tao amin’ny fonja miaramila iray, dia tsy nanome sakafo sy bodofotsy ho an’ireo rahalahy, isaky ny anjarany ny niambina. Nasiaka io mpiambina io. Izao no fitantaran’i Hugo Coronel: “Indray maraina mbola nangiran-dratsy, dia nodakan’io mpiambina io hisokatra ny varavaran’ny efitra nigadrako, notaritarihiny nivoaka aho, ary notondroiny ny miaramila dimy nitam-piadiana ka nilazany aho fa tonga ny fotoana hahafatesako. Notereny hanao sonia taratasy iray nilaza ny fialako tamin’ny finoako aho. Rehefa tsy nety aho, dia nasainy nanoratra tany amin’ny reniko, satria, hono, ho faty aho. Tezitra mafy izy ka naankiny tamin’ny rindrina biriky aho nony avy eo, nasainy nampiakatra ny basiny ireo miaramila mpitifitra, ary nomeny baiko hoe: ‘Tifiro!’ Reko naneno kely fotsiny ireo basy, izay tsy voafahana akory. Tetika natao hitaomana ahy hivadika fotsiny ilay izy. Nanatona ahy ilay mpiambina, efa natoky erỳ hoe hitomany noho ny tahotra aho. Nony hitany anefa fa tony aho, dia nisafoaka izy ka nanomboka nivazavaza. Nentina niverina tao amin’ny efitra nigadrako aho, somary nivadi-po kely ihany, kanefa faly fa namaly ny vavako i Jehovah ka nanampy ahy tsy hivadika.”

Andro vitsivitsy talohan’ny namindrana an’i Hugo tany amin’ny fonja hafa, dia nambaran’ilay lehiben’ny mpiambina tamin’ny rehetra fa hanery an’i Hugo hanao fanamiana izy ny ampitso, ary na i Jehovah aza tsy hahasakana izany, hoy izy. Inona no nitranga? “Ny ampitson’iny”, hoy i Hugo, “dia renay fa tapaka tamin’ny lozam-piarakodia nahatsiravina ny lohan’ilay mpiambina. Nisy akony lehibe teo amin’ny rehetra tao amin’ilay fonja ilay izy. Nihevitra ny ankamaroany fa nosazin’Andriamanitra ilay miaramila mpiambina, satria be hambo sy nandrahona. Raha ny marina, dia niangavy ahy ilay mpiambina nampiditra ahy tao amin’ny efitra nigadrako iny alina iny mba tsy hangataka amin’Andriamanitra hanasazy azy koa!” Loholona ao Villa Urquiza, any Misiones, i Hugo ankehitriny.

Izao no zavatra azo antoka: Tsy nivadika mihitsy ireny tovolahy tsy nety nanao raharaha miaramila ireny, na tao anatin’ny tarehin-javatra tena sarotra aza. Norahonan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fonja hotifirina ny sasany. Ny hafa noveleziny, tsy nomeny hanina, na natokany irery. Na dia natao ratsy fitondra aza ireny rahalahy ireny, ny finoany sy ny tsy fivadihany dia nanome fanambarana mahery tamin’ny miaramila sy ny voafonja hafa.

Fandraisan-tsoa avy amin’ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka

Nasaina ‘hamaly an’izay nanontany azy ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatiny’ koa ny ankizy. (1 Pet. 3:15). Nianatra tany amin’ny sekolim-panjakana ny zanak’i Juan Carlos Barros mirahalahy, izay fito sy valo taona tamin’izany fotoana izany. Nasain’ny tale niarahaba saina teo anatrehan’ny kilasy manontolo ilay zokiny. Rehefa tsy nety izy, dia nivazavazan’ilay tale, nokapohiny, ary natosiny hanatona an’ilay saina. Mbola tsy nety ihany anefa izy. Koa nentin’ilay tale tany amin’ny biraony izy mirahalahy kely, ary notereny nandritra ny adiny iray hanao hira fanindrahindran-tanindrazana. Nanapa-kevitra ny handroaka azy ireo izy, rehefa tsy nahomby.

Nampiakarina tany amin’ny fitsarana ilay raharaha. Nanontanian’ilay mpitsara nitokana izy mirahalahy kely, nandritra ny fotoam-pitsarana. Tezitra be ilay mpitsara fa nahay namaly avy hatrany izy mirahalahy kely, hany ka nanomboka nipararetra izy, nikapoka mafy ny latabatra tamin’ny totohondriny, ary nandao an’ilay efitra. Niverina izy rehefa afaka fahefatr’adiny, ary hita ho mbola sosotra ihany. Na izany aza, dia nanome rariny ho an’ny Vavolombelona izy! Hoy ilay mpitsara tamin’ny Rahalahy Barros nony avy eo: “Mahafinaritra erỳ ny fianakavianao! Raha manana foto-pitsipika ambony toy ny anareo avokoa ny fianakaviana rehetra, dia ho tsara kokoa ity tanintsika ity.” Hoy ny Rahalahy Barros: “Vao mainka nampiaiky ahy iny zava-nitranga iny fa mahasoa tokoa ny manao fianaram-pianakaviana tsy tapaka, mba hanomanana ny zanatsika hiorina mafy.” Tatỳ aoriana, dia namoaka didy ny Fitsarana Tampon’i Arzantina tamin’ny 1979 fa nanan-jo hahazo fianarana ireo ankizy.

Vanim-potoana mora indray

Efa hatramin’ny 1950 no nandefasan’ny sampana fangatahana tany amin’ny fitondram-panjakana, isaky ny niova izy io, mba hanekena ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Dingana maro no voafaoka tamin’izany. Voalohany, dia nilaina ny nanangana fikambanana ara-dalàna iray nisy mpikambana maromaro sy nanan-java-kendrena ara-tsosialy sy ara-pivavahana, toy ny fampianarana ny Baiboly ny olona, ohatra. Avy eo dia tsy maintsy nosoratana ara-panjakana io fikambanana io. Tsy maintsy neken’ny fanjakana hoe ara-dalàna ireo zava-kendreny. Raha neken’ny fanjakana ilay fikambanana, dia nomena nomeraon’ny fisoratana anarana. Io nomerao io no nentina nanaovana fangatahana ny hanekena ho ara-dalàna ny fikambanana ara-pivavahana iray. Nolavina foana ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 1981, satria hoe tsy ara-dalàna, hono, ny zava-nokendreny ara-tsosialy sy ara-pivavahana, noho ny asany mbola voarara.

Tamin’ny Novambra 1976, roa volana monja taorian’ny nanavaozana ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nandefa fangatahana tany amin’ny fitsaram-pirenena teto Arzantina ny biraon’ny sampana mba hanafoanana ilay fandrarana. Nampiakarin’ny sampana tany amin’ny fitsarana ambony koa ireto raharaha manaraka ireto: fandroahana zanaka Vavolombelona tany an-tsekoly noho izy ireo tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba fanindrahindran-tanindrazana, fampidirana am-ponja an’ireo rahalahy tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, ary fakan’ny fanjakana ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

Naroso teo anatrehan’ny Vaomieran’ireo Tanin’i Amerika Momba ny Zon’olombelona koa ireo raharaha nampiakarina tany amin’ny fitsarana ambony ireo, tamin’ny 10 Oktobra 1978. Tapak’ilay vaomiera fa nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fitondram-panjakana, ka nasainy hanaisotra an’ilay fandrarana.

Neken’ilay fitondra-miaramila tamin’izany fotoana izany ny tolo-kevitr’ilay Vaomieran’ireo Tanin’i Amerika Momba ny Zon’olombelona, ka nesoriny ilay fandrarana tamin’ny 12 Desambra 1980. Koa afaka nivory tamin-kalalahana ny vahoakan’i Jehovah teto Arzantina. Akory moa ny hafalian’ireo rahalahy! Efa tsy voarara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa mbola tsy nekena ho ara-dalàna ilay fikambanany ara-pivavahana.

Neken’ny fitondram-panjakana ho fivavahana ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa ela ny ela, tamin’ny 9 Martsa 1984. Nifarana ilay fotoana lava niadiana mba hanekena antsika ho ara-dalàna. Azo nasiana soratra fampahafantarana ireo Efitrano Fanjakana, rehefa ela ny ela! Akory moa ny hafalian’ireo rahalahy teto Arzantina! Samy namerina izao tenin’ny mpanao salamo izao ny rehetra: “Zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika”. — Sal. 126:3.

Tsy ampy fotsiny anefa ny nanisy soratra famantarana teo amin’ny Efitrano Fanjakana rehefa nekena ho ara-dalàna ny asa. Hoy i Ciríaco Spina, loholona kristianina eto Buenos Aires: “Rehefa nesorina ilay fandrarana, ka afaka nanao fivoriambe lehibe indray izahay, dia nirinay ny hampiasa ny toerana tsara indrindra mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitray. Imbetsaka izahay no efa nitady hampiasa an’ilay Kianjan’ny Tanàna Mar del Plata vaovao, kanefa tsy navela hampiasa azy io mihitsy izahay, satria mbola tsy nekena ho ara-dalàna. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona tamin’ny 1984. Azonay ampiasaina hanaovana fivoriambe ankehitriny ny Kianjan’ny Tanàna, ary tato anatin’ireo taona faramparany, dia azonay ampiasaina koa ny Foiben’ny Fanatanjahan-tena vaovao.”

Efa afaka nanao fivoriana lehibe nandritra ny taona maro izao ireo rahalahy ka nahazo fampaherezana avy tamin’izany. Koa nanapa-kevitra àry ny sampana ny hanararaotra amin’ny fomba feno ny fitsidihan’i Fred Wilson, mpiandraikitra ny zone. Tsy ampy tapa-bolana akory ny fikarakarana ny handraisana an’ireo rahalahy avy teto amin’ny tanànan’i Buenos Aires sy ny manodidina tao amin’ny Kianjan’i Vélez Sarsfield. Izany no fivoriana lehibe voalohany natao taorian’ny nanesorana ilay fandrarana. Fohy ny fotoana nampahafantarana an’ilay izy tamin’ireo rahalahy, kanefa vahoaka efa ho 30 000 no nanatrika an’ilay “andro firavoravoana” ara-panahy nahafaly, tamin’ny 15 Febroary 1984. — Sal. 42:4.

Taorian’ilay fandrarana

Olona an’arivony maro no nanjavona sy novonoina ho faty, teo ambanin’ilay fitondra-miaramila. Mahagaga anefa fa tsy nisy Vavolombelona na iray aza tamin’ireo nanjavona, na dia nanohitra mafy ny Vavolombelon’i Jehovah aza ilay fitondrana.

Tsy vitan’ny hoe voatsimbina ny ain’izy ireo, fa nanjary fantatry ny besinimaro tsara kokoa izy ireo, vokatr’ilay fandrarana. Talohan’ilay fandrarana, ireo nanontany ny Vavolombelona hoe inona no fivavahany, dia very hevitra rehefa novaliany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah”. Tsy izany kosa anefa no nitranga taorian’ilay fandrarana. Hoy i Susana de Puchetti, izay mpitory manontolo andro efa hatramin’ny 37 taona: “Rehefa nifarana ilay fandrarana, dia tsy nantsoina intsony hoe Zanak’i Jehovah na Ireo Jehovah izahay, no sady tsy nafangaro intsony tamin’ny antokom-pivavahana ara-pilazantsara. Noresahina imbetsaka tao amin’ny radio sy ny gazety mantsy ny tena anaranay marina, nandritra ilay fandrarana. Nitondra vokany tsara izany: nanjary fantatry ny olona ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.”

Fanomezan-dalana ara-dalàna tsy hanao raharaha miaramila

Ny Dr. María T. de Morini, sekreteram-panjakana lefitra tao amin’ny sampan-draharaha momba ny fivavahana no nanao izay hanekena ny fivavahan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony ho tamin’izany fotoana izany izy no nandamina fivoriana manan-tantara iray ho an’ny solontenan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny sekreteram-panjakana tao amin’ny sampan-draharaha momba ny fivavahana ary ny minisitry ny fiarovana. Ny zava-nokendrena tamin’ilay fivoriana dia ny handinihana ny fanomezan-dalana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao raharaha miaramila. Nantenain’ny Komitin’ny Sampana fa homen-dalana tsy hanao raharaha miaramila ny mpisava lalana maharitra, kanefa vonona ny hanao mihoatra noho izany ireo manam-pahefana.

Vonona ny hanome lalana an’izay rehetra mpianatra ny manam-pahefana, ary noheverina ho mpianatra teolojia ireo rehetra nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Rehefa feno 18 taona ny rahalahy iray vita batisa ka nasaina hotsaraina ho miaramila, dia nameno sy nanao sonia taratasy iray nanamarina ny fitondran-tenany tsara ny loholon’ny kongregasionany. Nalefa tany amin’ny biraon’ny sampana io taratasy io mba hosoniavina, ary avy eo nalefa tany amin’ny biraon’ny fanoratana ara-panjakana ny fivavahana. Izy ireo kosa avy eo no namoaka taratasy fanamarinana tsy maintsy nentin’ilay rahalahy tany amin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny tafika, mba hanomezan-dalana azy tsy hanao raharaha miaramila. Nety tsara izany fomba fiasa izany, ary nampiasaina hatramin’ireo taona 1990, rehefa tsy notakin’ny fanjakana intsony ny hanaovana raharaha miaramila.

Fitomboana hatraiza hatraiza nahagaga

Noraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anelanelan’ny taona 1950 sy 1980. Nanohy nitory ny teny tamin-jotom-po ireo rahalahy nandritra iny vanim-potoana sarotra iny. Ho vokany, dia notahin’i Jehovah izy ireo ka nahita fitomboana. Nisy mpitory 1 416 teto Arzantina tamin’ny 1950. Nanjary 36 050 anefa izy ireo tamin’ny 1980!

Vao mainka nitombo izy ireo rehefa nekena ho ara-dalàna, mifanaraka amin’ny Isaia 60:22, manao hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Manamarina izany ny topy maso kely amin’ireo tatitra momba ny asa manerana an’i Arzantina. Taorian’ny nanesorana ilay fandrarana, ohatra, dia nitombo ny isan’ny mpitory 70 tao amin’ny Kongregasiona Francisco Solano eto amin’ny tanànan’i Buenos Aires, ka tafakatra ho 700 ao amin’ny kongregasiona fito ankehitriny.

Loholona ao Cinco Saltos, any Río Negro, i Alberto Pardo, ary tsaroany ny fotoana tsy nisian’ny mpitory afa-tsy 15 monja tao Cinco Saltos. Misy kongregasiona telo manana mpitory 272 ao ankehitriny, izany hoe misy Vavolombelona 1 isaky ny mponina 100. Hoy i Marta Toloza, ao amin’ny Kongregasiona Carmen de Patagones eto Buenos Aires: “Mahazendana ny mieritreritra fa vitsy kely no nivory tao amin’ny efitra kely iray tamin’ny 1964, nefa ankehitriny misy anadahy sy rahavavy 250 ao amin’ny Efitrano Fanjakana telo.”

Nitombo haingana ny isan’ny mpitory ao Palmira sy ireo tanàna manodidina, ka nilaina ny nanaovana ny lahateny ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana indroa isaky ny faran’ny herinandro, mba tsy ho teritery ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanofa efitrano lehibe kokoa izy ireo tamin’ny Fahatsiarovana, satria maherin’ny 250 foana ny isan’ny mpanatrika. Nanomboka tamin’ny 1986, dia nisy kongregasiona niforona tao amin’ny tanàna efatra samy hafa, izay anisan’ny faritanin’ny Kongregasiona Palmira teo aloha.

Nitatra ny Kongregasiona José León Suárez voalohany nisy mpitory 33 teto amin’ny tanànan’i Buenos Aires, ka nanjary kongregasiona dimy. Hoy i Juan Schellenberg, loholona ao: “Isaky ny namorona kongregasiona vaovao izahay, dia nihakely ny faritaninay. Kely izao ny faritaninay, satria tsy misy afa-tsy faritanàna vitsivitsy monja, misy arabe 16 amin’ny lavany, ary arabe 8 amin’ny sakany. Vitanay indray mandeha na indroa isan-kerinandro ny faritaninay. Tsy miraharaha ny ankamaroan’ny olona itorianay, kanefa mbola mahita olona liana ihany izahay, ary afaka manomboka fampianarana ny Baiboly. Eo afovoan’ilay faritany no misy ny Efitrano Fanjakana, koa afaka mandeha an-tongotra ny ankamaroan’ireo mpitory 100 rehefa mamonjy fivoriana.”

Nanjaka ny toe-tsain’ny mpisava lalana

Nitatra ny fanompoana teny amin’ny saha, rehefa nesorina ilay fandrarana. Betsaka ny faritany nilana mpitory ilay Fanjakana maro.

Tamin’ny Desambra 1983, dia nisy mpivady mpisava lalana manokana tsy maharitra folo, nirahina hitory nandritra ny telo volana tany amin’ny faritra tsy voatsidiky ny Vavolombelon’i Jehovah firy. Efa mpisava lalana maharitra na mpanampy ireo mpivady voafantina, ary ny mpiandraikitra ny fizaran-tany no nanolotra azy ireo. Ny zava-nokendrena dia ny hamita faritany betsaka tamin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra sy tamin’ny fiezahana hanomboka fampianarana ny Baiboly. Hokarakarain’ny mpitory tao amin’ny kongregasiona teny akaiky na hokarakaraina tamin’ny alalan’ny fifanoratana, ireo olona liana. Nitondra vokatra tsara dia tsara io ezaka manokana io. Misy kongregasiona ankehitriny ao amin’ny tanàna sivy amin’ireo tanàna folo nandefasana an’ireny mpisava lalana ireny.

Anisan’ireny mpisava lalana manokana tsy maharitra ireny i Argentina de González. Voatendry tao Esquina izy sy ny vadiny. Tonga tao izy mivady, niaraka tamin’ny zanany efatra. Intelo isan-kerinandro izy ireo no nanova ny iray tamin’ireo efitra fatoriana tao an-tranony ho toeram-pivoriana. Saika nampandroso azy tao an-trano avokoa ny olona rehetra nitoriany isan-trano. Tian’ny tompon-trano ho fantatra aloha hoe avy taiza izy ireo, firy ny zanany, ary taiza izy ireo no nipetraka. “Rehefa afa-po izy ireo”, hoy i Argentina, “dia tena vonona ny hihaino ny hafatra nentinay. Afaka nanomboka fampianarana ny Baiboly fito aho, ka anisan’ny nampianariko ny vehivavy iray sy ny zanany efatra. Nanomboka nanatrika ny fivoriana avy hatrany izy ireo, ary tonga tsy tapaka mihitsy. Tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, dia natao batisa ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vavy, izay tonga mpisava lalana tatỳ aoriana. Faly aho mahafantatra fa mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izy mianakavy.”

Nahavita tena tamin’ny tarehin-javatra rehetra

Vonona ny hizatra tamin’ny toetr’andro ratsy sy ny fitokana-monina ary ny fiainana faran’izay tsotra, ny sasany izay nanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana. Rehefa nirahina ho mpisava lalana manokana tao Río Turbio, ao amin’ny provansin’i Santa Cruz, i José sy i Estela Forte, dia tsy nisy Vavolombelona na mpianatra ny Baiboly hafa tao amin’ilay faritra. Mbola nanampy trotraka koa ny hatsiaka, satria any amin’ny farany atsimo no misy an’i Río Turbio, ary matetika no midina ho 18 degre Celsius ambanin’ny zero ny maripana.

Tao amin’ny efitra kely iray tao amin’ny tranon’ny havana Vavolombelona no nipetrahan-dry Forte, ary nandeha 300 kilaometatra tamin’ny fiarakodia izy ireo mba hankanesana tany amin’ny kongregasiona akaiky indrindra tao Río Gallegos. Indray mandeha, rehefa avy nanatrika fivoriana izy ireo ka teo amin’ny lalam-be iray tsy nisy olona na tanàna, dia nihanafana ny môteran’ilay fiarakodia, satria nitete ny radiatera. Namirifiry ny andro, ary nanomboka tratran’ny el sueño blanco izy ireo, araka ny iantsoan’ny olona eto an-toerana ny torimaso fotsy mety hahafaty. Nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo mba tsy ho resin-tory. Velom-pankasitrahana tokoa izy ireo rehefa tonga teo amin’ny toeram-pambolena iray teny akaiky, ka sady afaka nanafana tena no nameno rano an’ilay radiatera!

Nampifantoka ny fitoriany tamin’ny faritra be mponina indrindra aloha ry Forte, ary tsy ela dia nitarika fampianarana ny Baiboly maherin’ny 30 izay nandroso tsara. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nisy fivoriana tao amin’ilay tanàna. Niezaka indray izy ireo nony avy eo hitory tamin’ny olona tany an-tendrombohitra sy tany ambanivohitra. Indray mandeha isan-taona, dia nitaingina soavaly i José nitety faritany nandritra ny enina na fito andro, mba hitory. Nanatona toeram-piompiana lehibe iray i José sy ilay namany indray mandeha, ka tojo vehivavy iray nanana alika mpiambina masiaka. Rehefa nampahafantatra ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah ry José, dia nijery azy ireo ilay ramatoa ary toran’ny hehy. “Atỳ koa ve?”, hoy izy. Nanontaniana izy hoe nahoana no niteny toy izany. Nohazavainy fa nipetraka teo akaiky kelin’ny Betela teto Buenos Aires izy teo aloha. Hoy koa izy: “Tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho tonga atỳ amin’ny toerana mitokana be atỳ ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy vitan’izany fa miakanjo toy ny gauchos [mpiandry omby].” Nasain’ilay ramatoa hisakafo izy mirahalahy, ary nafana ny resadresaka nifanaovan’izy ireo momba ny Baiboly. Nahitam-bokatra ny fikirizan-dry Forte, satria misy mpitory 31 ankehitriny ao amin’ny kongregasiona iray mandroso tsara ao Río Turbio.

Efitrano Fanjakana mitsinkafona

Tapa-kevitra ny hanararaotra an’ilay vanim-potoana mora nitoriana ny sasany, ka nandeha nitory tany amin’ireo mponina anosy tao amin’ny vinanin’ny Ony Paraná, tsy lavitra an’i Buenos Aires. Tsy raharaha mora koa ny mitory any amin’ilay faritra, satria mifanalavitra ireo nosy, manahirana ny fitaterana, ary mivadibadika ny toetr’andro. Lafo be ny saran-dalana amin’ny lakan’olona manokana, ary mety hampidi-doza. Nitondra vokatra anefa ny fikirizana. Niforona ny groupe isolé iray, izay anisan’ny Kongregasiona Tigre, tamin’ny 1982.

Mba hitsitsiana vola, dia nanamboatra an’i El Carpincho, botry plastika maivana mirefy fito metatra, i Alejandro Gastaldini, rahalahy avy ao amin’ny Kongregasiona Tigre, ary nasiany môtera nandeha tamin’ny gaza propane izy io. Tokony ho tamin’izany fotoana izany koa, dia nanome ny sambo lainy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana tao amin’ilay vinany i Ramón Antúnez mianakavy avy teto Buenos Aires. Nitarika tamin-kafanam-po ilay asa ireo rahalahy be zotom-po ireo, ka nanasa ny mpitory avy tany amin’ny kongregasiona hafa mba hiara-mitory taminy tamin’ny faran’ny herinandro. Tsy ela dia maro ny olona nianatra ny Baiboly sy nandroso, ka fianakaviana manontolo no nanaiky ny fahamarinana.

Vitsy tamin’ny mponina anosy no nanana lakana, ary tsy nisy firy ny fitateram-bahoaka, koa sarotra tamin’ny ankamaroan’ny olona liana ny nanatrika fivoriana. Koa nifanampy ireo rahalahy mba hiara-mivory sy hifanatanjaka teo amin’ny lafiny ara-panahy. Mba hahafahan’ny rehetra hanatrika ny Fahatsiarovana, ohatra, dia nalaina tsirairay tamin’ny botry ireo Vavolombelona vita batisa sy ireo olona liana, mba hahafahany hankalaza an’ilay Fahatsiarovana tao amin’ilay botry.

Voatendry ho mpisava lalana teo amin’ilay faritra i Carlos Bustos sy i Ana vadiny ary i Mariana zanany vavy, tatỳ aoriana. Nanampy azy telo mianaka ny sampana, ka nividy botry mandeha môtera nantsoina hoe Precursor I, izay nisy lakozia sy toeram-pandroana ary fatoriana ho an’ny olona telo. Nantsoina hoe el sarcófago ny farafaran’i Mariana teo amin’ny vody sambo, satria tery kely ilay izy ka toy ny vatam-paty!

Misy mpitory 20 manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny Kongregasiona Tigre ao amin’ilay faritra, amin’izao fotoana izao. Samy manana ny lakany ny ankamaroan’ireo rahalahy ankehitriny, ka ampy fitaovana kokoa hiantsoroka ny andraikiny teokratika. Toa tsy ho tanteraka mihitsy anefa ilay nofinofy ny hanorina ny Efitrano Fanjakanany manokana. Fa nahoana?

Tondra-drano foana ilay faritra, ka lafo be ny vidin’ny tany azo anorenana. Toa tsy hay resena io vato misakana io, ho an’ilay antokon’olom-bitsy tsy manam-bola firy. Na kely aza anefa ny tany, dia betsaka kosa ny rano. Koa nahoana raha manorina Efitrano Fanjakana mitsinkafona? Nitarika ilay asa fanorenana Efitrano Fanjakana ny sampana, ary vita ilay izy tamin’ny Jona 1999. Mifandimby mitarika fivoriana isan-kerinandro ao amin’io Efitrano Fanjakana io ankehitriny ireo loholona avy ao amin’ny Kongregasiona Tigre.

Fitoriana amin’ny Koreanina

Miezaka hitory amin’ny olona any amin’ny toerana maro samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah eto Arzantina, kanefa miezaka hitory amin’ny olona samy hafa firenena koa. Talohan’ny nampiharana ilay fandrarana faharoa, dia nifindra monina teto Arzantina niaraka tamin’ny fianakaviany i Hwang Yong Keun, rahalahy koreanina, tamin’ny 1971, ary nanomboka nifanerasera tamin’ny kongregasiona iray miteny espaniola. Nahitam-bokatra ny fampianarana ny Baiboly ny Koreanina, ary nihamaro ny Vavolombelona avy tany Korea nifindra monina teto. Koa niforona ny groupe koreanina iray tao Morón, atỳ amin’ny provansin’i Buenos Aires. Tsy ela izy ireo dia nanao ny fivoriana dimy rehetra isan-kerinandro, ary naorina tamin’ny 1975 ny kongregasiona koreanina voalohany teto Arzantina. Notokanany ho an’i Jehovah ny Efitrano Fanjakanany voalohany, herintaona taorian’izay.

Nizarazara ho antokon’olom-bitsy ilay kongregasiona koreanina, nandritra ilay fandrarana. Koa satria naniry mafy ny hiara-mivory ilay kongregasiona koreanina, dia nalamina ny hihaonan’izy ireo indray mandeha isam-bolana tao amin’ny zaridainam-panjakana iray, mba hihaino lahateny ampahibemaso sy hanao Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Tsy nahazo teny koreanina ny polisy, ka tsy fantany mihitsy hoe fivoriana ara-pivavahana ilay nataon’izy ireo!

Nitombo tsy an-kijanona ny vokatra azo teo amin’ny saha koreanina, taorian’ny nanesorana ilay fandrarana. Miely patrana manerana an’i Arzantina ireo Koreanina, ka matetika no voatery mandeha an-jatony kilaometatra maro ireo mpitory mba hitadiavana an’izay mendrika. Indroa na intelo isan-taona ny Vavolombelona koreanina no nandeha tany amin’ny provansy lavitra mba hitadiavana ireo mpivarotra koreanina. Nitahy ny fahazotoan’izy ireo i Jehovah. Ankehitriny dia misy 288, amin’ny antsalany, ny mpitory koreanina any amin’ny kongregasiona efatra, mitory ny teny amin-jotom-po.

Mpiandraikitra ny fizaran-tany niteny espaniola no nitsidika an’ireo kongregasiona koreanina hatramin’izay, ka nila mpandika teny tany amin’ny fivoriana sy ny fanompoana teny amin’ny saha ary ny fitsidihana ondry izy io. Tamin’ny 1997 anefa, dia voatendry hitsidika an’ireo kongregasiona koreanina teto Arzantina sy tatsy Brezila sy Paragoay, i Steven sy i June Lee (Yi Sung Ho sy i Kim Yun Kyeong), izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-102. Koa satria Koreanina ry Lee ary mahay tsara ny fiteniny, dia mandray soa be dia be avy amin’ny fitsidihany ireo rahalahy. Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona, ny rehetra, noho io fandaharana natao tamim-pitiavana io. — Asa. 10:34, 35.

Tsy maintsy mizatra tsy an-kijanona amin’ny toetany sy ny rano ary ny sakafo amin’ireo tany telo ireo ry Lee. Ao anatin’ny enim-bolana, dia eto Arzantina izy ireo mandritra ny telo volana, atsy Brezila mandritra ny roa volana, ary atsy Paragoay mandritra ny iray volana. Tsy maintsy mahay ny fiteny eo an-toerana koa anefa izy ireo, na dia mitsidika kongregasiona koreanina aza. Miteny portogey izy ireo atsy Brezila, ary ankoatra izany dia tsy maintsy mifankazatra amin’ny fomba fanononana roa samy hafa ny teny espaniola izy ireo. Tiany anefa io fizaran-tany tena iraisam-pirenena io. Nitombo ho 60 ny isan’ny mpisava lalana 10 tao amin’ilay fizaran-tany, rehefa afaka roa taona!

Midera an’i Jehovah ny marenina

Tamin’ireo taona 1970, dia niharihary fa nila fanampiana manokana ny antokon’olona hafa, izay tsy iza fa ny marenina izay nanomboka nanatrika fivorian’ny kongregasiona. Nilaina ny mpandika teny tamin’ny baiko moana, mba handraisan’izy ireny soa avy tamin’ny fivoriana. Nasiana fivoriana tao an-tranon’i Coco sy i Coca Yanzon, mpivady marenina tao Villa Devoto, eto Buenos Aires, tamin’ny 1979. Vao fanombohana fotsiny izany.

Nitombo hatrany ny isan’ny olona marenina nanaiky ny fahamarinana nandritra ilay fandrarana, ary koa nandritra ireo taona 1980 sy ireo taona 1990. Notendrena ho any amin’ny kongregasiona voafantina teto amin’ny tanànan’i Buenos Aires sy ny manodidina ny rahalahy sy ny anabavy marenina, mbamin’ireo mpandika teniny, tamin’ireo taona 1980. Nadika tamin’ny marenina ny fandaharana manontolo, mba handraisan’izy ireo soa avy tamin’ny fivoriana.

Naniry mafy handray anjara tamin’ny fomba feno kokoa tamin’ny asan’ny kongregasiona anefa ireo marenina. Koa nanapa-kevitra ny sampana tamin’ny 1992 fa hampiaraka azy ireo sy ny mpandika teniny tao amin’ny kongregasiona iray mampiasa baiko moana. Tamin’izany fomba izany no nanombohan’ny mpitory marenina nandray anjara marisika tamin’ny fampianarana sy ny fanomezana valin-teny ary ny fitoriana, tamin’ny fiteniny manokana.

“Valim-bavaka ho ahy ilay kongregasiona mampiasa baiko moana”, hoy i Silvia Mori, anabavy marenina mitaiza irery ny zanany. “Faly be aho fa afaka mifandray bebe kokoa amin’ny anadahy sy ny rahavavy marenina. Nizarazara tany amin’ny kongregasiona samy hafa tsy mampiasa baiko moana mantsy izahay teo aloha, ary tsy nifankahita raha tsy indray mandeha isan-kerinandro.”

Hoy i Elba Basani, anabavy marenina hafa iray: “Fony mbola tsy nisy kongregasiona mampiasa baiko moana, dia nitady ho kivy aho. Faly be anefa aho ankehitriny satria afaka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, be atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary mifandray bebe kokoa amin’ireo anadahiko ara-panahy. Velom-pankasitrahana indrindra an’i Jehovah aho.”

Fomba fampitan-kevitra amin’ny alalan’ny fahitana ny baiko moana, koa tena mandaitra tokoa ny vidéo vokarin’ny Fikambanana. Efa misy amin’ny fiteny baiko moana arzantinina ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Efa omanina mba havoaka vidéo koa izao ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? sy ny zavatra vita an-tsoratra hafa. Misy kongregasiona efatra mampiasa baiko moana manerana an’i Arzantina ankehitriny, ka misy 200 ny tontalin’isan’ny mpitory, anisan’izany ny rahalahy marenina 38 izay loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana.

Fanampiana ny olona miteny anglisy

Teo amin’ny faramparan’ny taona 1993, dia nisy fikambanana avy any ivelany nanomboka niasa teto Arzantina. Ny sasany tamin’ny mpiasany nalefa teto Arzantina dia Vavolombelona vita batisa izay tsy nahay niteny espaniola firy, fa nahazo tsara ny teny anglisy kosa. Niforona teto Buenos Aires ny kongregasiona voalohany miteny anglisy, mba hikarakarana izay nilain’ireo Vavolombelona miteny anglisy sy mba hitoriana tamin’ny olona nihamaro hatrany niteny anglisy. Nanolo-tena hanohana an’ilay kongregasiona vaovao ny Arzantinina sasany efa nianatra ny teny anglisy.

Taorian’ny nanorenana ilay kongregasiona tamin’ny Jona 1994, dia nisy folo natao batisa, ary olona maro hafa tsy mipetraka maharitra eto Arzantina no afaka mandray soa avy amin’ireo fivoriana atao amin’ny fiteny azony.

Nanokatra ny lalana ny Mapuche tanora iray

Anisan’ny “karazan’olona rehetra” tokony hampiana “ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana” ireo Indianina teratany any amin’ny faritra voatokana. (1 Tim. 2:4, NW ). Misy faritra voatokana ho an’ny Indianina mapuche any amin’ny provansin’i Neuquén, any atsimoandrefana. Tsy navelan’ny filohan’ilay faritra hiditra tao ny Vavolombelona, noho ny fitondran-tenan’ny fivavahana hafa teo aloha. Nahazo zavatra vita an-tsoratra ny renin’i Patricia Sabina Guayquimil, tovovavy mapuche, fony niasa tany ivelan’ilay faritra voatokana, ary nomeny an’i Patricia izany. Nanoratra tatỳ amin’ny sampana i Patricia mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa. Voatendry hamaly ny taratasiny ny Anabavy Mónica López, ka nandefasany ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany i Patricia, ary nohazavainy taminy ny fianarana ny Baiboly. Nanaiky hianatra i Patricia, ary nianatra tamin’ny alalan’ny fifanoratana nandritra ny herintaona izy, nefa tsy nifankahita tamin’i Mónica mihitsy.

Indray andro, dia nisy nandondòna tao am-baravaran’i Mónica. Faly be izy fa, hay, i Patricia izy io. Niaraka tamin’ny rahavaviny efa hiteraka, izay nentina tamin’ny fiara mpitondra marary, no nahatongavan’i Patricia tao amin’ilay tanàna. Tao anatin’ny fotoana fohy nahafahan’izy ireo niaraka, dia nasehon’i Mónica azy ny Efitrano Fanjakana, nohazavainy ny fomba fanaovana fivoriana, ary nasainy ho amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ho avy tsy ho ela izy.

Nanohy nanao fandrosoana tsara dia tsara i Patricia, rehefa nody tany aminy. Nanantitrantitra ny amin’ny maha zava-dehibe ny fitoriana ny andinin-teny ho an’ny andro nodinihiny, indray maraina. Koa nasiany lasely ny soavaliny, ary nandeha nitory tamin’ny mpiara-monina taminy izy, nanomboka tamin’ny fito ora maraina ka hatramin’ny harivariva. Nanokatra ny lalana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah avy tany ivelany izany fitoriany izany, mba hahafahan’izy ireo hitory tao amin’ilay faritra voatokana. Natao batisa tamin’ny 1996 i Patricia, ary manohy mitory ‘ny famonjena mahafaly’ amin’ireo Indianina. (Sal. 96:2). Mitsidika tsy tapaka faritra voatokana hafa ho an’ny Indianina, ny Vavolombelona.

Ilaina ny Efitrano Fanjakana

Dodona ny hanitatra ny asa fitoriany tao anatin’ilay vanim-potoana mora ny Vavolombelon’i Jehovah teto Arzantina taorian’ilay fandrarana, koa nilaina ny Efitrano Fanjakana sahaza. Tsizarizary ny Efitrano Fanjakana sasany. Plastika, ohatra, no nanaovana ny rindrin’ny efitrano iray tao amin’ny provansin’i Santiago del Estero, any avaratra. Hoy ny fitantaran’i Luis Benitez, izay mandray anjara amin’ny tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana efa hatramin’ny taona maro: “Fony izahay sy ny Rahalahy Eisenhower nankany Formosa, dia hitanay ireo rahalahy nivory tao amin’ny trano iray nirefy 1,2 metatra ny haavon’ny rindrina, saingy tsy nisy tafo na varavarana na varavarankely. Hazo fisaka napetraka teo ambonin’ny biriky no nipetrahan’ireo rahalahy. Nanontanianay izy ireo hoe inona no nataony rehefa avy ny orana. Hoy ny navaliny: ‘Ny sasany mitondra elo, fa ny sisa lenan’ny orana.’ ”

Taorian’ny nanesorana ilay fandrarana tamin’ny 1980, tsy ela dia takatr’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona tao Trelew, any amin’ny provansin’i Chubut, fa tsy nanan-toerana antonona an’ireo olona maro be tonga handray fampianarana ara-panahy izy ireo. Ny anabavy iray niasa tao amin’ny fianakaviana iray nanana efitrano fivoriana iray, dia nangata-dalana mba hampiasana an’ilay efitrano hivorian’ny Vavolombelona. Nanaiky ilay tompony, ary nivory maimaim-poana tao amin’ilay efitrano nandritra ny fito na valo volana ilay kongregasiona. Nanana toeram-piasana fanamboaran-tseza ny rahalahy iray, ary izy io no nivoriana nandritra ny fotoana kelikely nony avy eo. Tsy afaka nampiasa foana an’ilay toerana anefa ny kongregasiona, koa tsy maintsy nozaraina ho vitsy kokoa izy ireo rehefa nivory tany an-tokantranon’ireo rahalahy. Niharihary fa nila toerana raikitra hivoriana izy ireo. Tapa-kevitra ny hanorina ny Efitrano Fanjakanany voalohany ilay kongregasiona. Nitady toerana nandritra ny dimy taona ireo Vavolombelon’i Jehovah tao Trelew, ary nanana ny Efitrano Fanjakanany notokanana ho an’i Jehovah ihany rehefa ela ny ela. Tsy ela anefa dia nilaina indray ny nanorina Efitrano Fanjakana hafa, satria nitombo ny isan’ny mpitory.

Nila Efitrano Fanjakana ireo kongregasiona nanerana an’i Arzantina. Tsy maintsy natao ny dingana mba hananana trano sahaza ho an’ny fanompoam-pivavahana marina.

Nanolotra fanampiana ny sampana

Koa namolavola fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana àry ny sampana, mba hikarakarana an’io zavatra nilaina io. Tafiditra tamin’izany ny fampisamboram-bola ho amin’ilay fanorenana, ary koa ny mari-trano nosoritan’ny matihanina mba hanaovana efitrano antonona tsara, tsy manahirana, ary tsotsotra. Nomena koa ny fanipazan-kevitra ny amin’ny fomba handaminana ilay asa fanorenana. Rahalahy mahay no notendrena hanolotra fanampiana teo amin’ny lafiny teknika. Nisy Efitrano Fanjakana voaorina tao anatin’ny roa volana, ary tatỳ aoriana, tao anatin’ny 30 andro monja, tamin’ny alalan’io fandaharana io.

Nandray soa avy tamin’io fandaharam-panorenana notsorina io ireo kongregasiona tao Trelew izay nila Efitrano Fanjakana hafa iray. Faly izy ireo nivory tao amin’ilay efitranony vaovao, rehefa afaka roa volana monja taorian’ny nanombohana ilay fanorenana. Nanome fanambarana lehibe tamin’ireo mponina tao an-tanàna ilay izy, satria hitany fa tsy nisy na inona na inona teo amin’ilay toerana izay zary fanariam-pako, nefa tampoka teo dia nisy Efitrano Fanjakana tsara tarehy. Niaiky volana aoka izany ireo mpanao fanorenana teo amin’ilay faritra, ka naniry hanakarama an’ireo rahalahy!

Efitrano Fivoriambe hanaovana fivoriana lehibe

Takatr’ireo rahalahy teto Arzantina koa fa nila Efitrano Fivoriambe izy ireo mba hanaovana fivoriana lehibe. Nanome tany ny fianakaviana iray tao Oberá, any amin’ny provansin’i Misiones, any avaratra. Koa nanangana toeram-pialofana nitafo, saingy tsy nisy rindrina, ireo rahalahy teo an-toerana. Nanaovana fivoriambe teo amin’ilay tany tamin’ny 1981, ka nisy 300 ny mpanatrika. Misy trano mateza kokoa eo amin’io tany io ankehitriny, ary mahazaka olona 2 200 ilay trano.

Taorian’ny nanoratana ara-panjakana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1984, dia notokanana ho an’i Jehovah ny Efitrano Fivoriambe roa teto amin’ny faritr’i Buenos Aires: ny iray tao Moreno tamin’ny 1986, ary ny faharoa tao Lomas de Zamora, tamin’ny 1988. Orinasa sy trano fanatobiana entana efa tsy nampiasaina intsony ilay tao Lomas de Zamora, teo aloha. Tonga ny mpiasa an-tsitrapo 1 500 teo ho eo tamin’ny 9 Jolay 1985 mba hanomboka tetik’asa hiasana mafy tsy an-kijanona nandritra ny 18 andro. Nodiovin’izy ireo ilay toerana, ary nataony efitrano malalaka ny ampahany tamin’ilay orinasa, ka antonona tsara ho an’ny olona 1 500. Ny sasany niasa nandritra ny alina manontolo mba hanomanana an’ilay efitrano ho vonona ho amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany voalohany natao tamin’ny 27 Jolay 1985. Misy Efitrano Fivoriambe efatra eto ankehitriny, anisan’izany ny iray notokanana tamin’ny 1993 tany Córdoba.

Aiza no azo anaovana ny fivoriamben’ny distrika?

Nitohy hatrany ny fitomboana, ka nihasarotra ny nanofa toerana sahaza ho an’ny fivoriamben’ny distrika. Lafo be ny hofan’ny efitrano malalaka, ary matetika no tsy nanaja ny fifanarahana ireo mpitantana an’ilay toerana. Nanahirana sady nandany fotoana ny nitatitra sy nanangana ny fitaovana fanamafisam-peo sy ny fitaovana hafa nilaina. Ankoatra izany, dia tsy voaro tamin’ny toetrandro ratsy ny mpanatrika tany amin’ireo kianja lehibe tsy mitafo, ka vao mainka sarotra kokoa ny nandray soa feno avy tamin’ilay fandaharana.

Mba hamahana ireo olana ireo, dia novidina ny tany iray tao Cañuelas, izay faritra ambanivohitra any atsimoandrefan’ny renivohitra. Hanorenana Efitrano Fivoriamben’ny Distrika izay hanaovana fivoriamben’ny distrika sy fivoriambe hafa izy io, ho fanampin’ny Efitrano Fivoriambe efatra izay efa misy eto Arzantina.

Vonona ho amin’ny fivoriamben’ny distrika voalohany tamin’ny Oktobra 1995 ilay Efitrano Fivoriamben’ny Distrika malalaka tsara misy toerana 9 400, tsy ampy enim-bolana akory taorian’ny nanombohan’ilay tetik’asa. (Joela 2:26, 27). Notokanana ho an’i Jehovah ilay trano tamin’ny Martsa 1997. I Carey Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no nanao ilay lahateny fitokanana mampientam-po. Nandray anjara koa tamin’ny fivoriana manokana iray natao tao amin’ny Kianjan’i River Plate lehibe izy ny ampitson’iny. Feno hipoka ilay kianja, satria rahalahy 71 800 avy nanerana an’i Arzantina no tonga, anisan’izany ny antokon’olona iray nandeha 3 000 kilaometatra tamin’ny fiarakodia avy tany Patagonia.

Tranon’ny Sampana vaovao

Tratra ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory ilay Fanjakana 51 962 tamin’ny Desambra 1984. Koa nilaina nampitomboina àry ny isan’ny zavatra vita an-tsoratra, ary izany indray kosa dia nitaky fanontam-pirinty lehibe kokoa. Mba hikarakarana izany zavatra nilaina izany, dia novidina sy nohavaozina ny fitambaran-trano iray tao amin’ny 1551 Lalana Caldas teto Buenos Aires, mba hanitarana ny fanontam-pirinty sy ny birao. Novidin’ny sampana koa ny orinasa iray fanamboarana seramika tsy niasa intsony teo amin’ny 3850 Arabe Elcano teto Buenos Aires, ka noravany, ary nanorenany fitambaran-trano fonenana vaovao tsara tarehy.

Nisy mpiasa manontolo andro 640, tamin’ny fitambarany, nandray anjara tamin’ilay tetik’asa fanorenana, anisan’izany ny mpiasa 259 avy tamin’ny fandaharam-panorenana iraisam-pirenena. Nisy an-jatony maro hafa koa tonga nanampy tamin’ny faran’ny herinandro. Nampipoitra toe-javatra nahaliana ny nisian’ny mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 200 avy tany ampitan-dranomasina nanao ilay fanorenana. Nameno taratasy iray ny rahalahy iray, nangataka palomos (voromahailala lahy) fotsy 12. Gaga ny mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana hoe nahoana no nangataka voromahailala ilay rahalahy. Hay, nila pomos (tioba)-na loko fotsy 12 izy!

Nidangana be mihitsy ny vidim-piainana teto Arzantina tamin’ny fotoana nanaovana ilay tetik’asa. Indraindray dia nisondrotra intelo isan’andro ny vidin’ny fitaovam-panorenana, ka nanjary sarotra ny nividy entana. Tsy nohadinoin’ireo rahalahy nanao ilay fanorenana tamin’izany fotoana izany mihitsy ilay asa lehibe indrindra, dia ny fitoriana ny teny. Matetika no nandefa solontena teo amin’ilay toeram-panorenana ny lehilahy iray mpamatsy fitaovana; nahazo fanambarana feno foana ireo solontena ireo, ankoatra ny fanafarana fitaovana. Tamin’ny fitambarany, dia gazety 20 sy boky dimy no voapetraka tamin’ny mpiasan’ilay kompania, ary narantirantin’ilay tompon’ilay kompania tao amin’ny biraony ireo gazety.

Fanambarana koa ilay asa fanorenana. Nampiasa fomba fanorenana tilt-up ireo rahalahy, ka toy izao no fandehany: Nanao takela-drindrina rihibato misy tanjany vy tao anaty lasitra izy ireo, ary avy eo nampiakatra ilay izy teo amin’ny toerany, tamin’ny alalan’ny milina fibatana enta-mavesatra. Fomba fanorenana tsy fahita izany, ka nanintona ny sain’ny mpanao fanorenana teto an-toerana. Isaky ny asabotsy maraina, dia tonga nijery sy nitsidika ny mpianatra avy tao amin’ny sekoly ambony fianarana manao mari-trano.

Notokanana ho an’i Jehovah io fitambaran-trano tsara tarehy io tamin’ny Oktobra 1990. I Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no nanao lahateny fitokanana nampientam-po, niorina tamin’ny Isaia 2:2-4. Nanatrika an’io fotoana nahafaly io ny olona maro nandray anjara tamin’ny fambolena ny voan’ny fahamarinana tany am-boalohany teto Arzantina, mbamin’ny vahiny nasaina avy tany amin’ny sampana hafa.

Fanitarana fanampiny

Raha vantany vao voatokana ireo tranon’ny sampana vaovao, dia natomboka ny fanitarana fanampiny ny fanontam-pirinty teo amin’ny Lalana Caldas. Naorina teo amin’ny tany iray nifanila tamin’izy io ny trano iray nisy rihana roa sy lakaly, mba hitahirizana zavatra vita an-tsoratra. Vitan’ny mpiasa an-tsitrapo 25 tao anatin’ny valo volana io tetik’asa io.

Tamin’ny fotoana nilana indrindra ny hanitarana ny birao, no namidy ny trano iray tsy lavitra ny trano Betela. Nanjary sarotiny kokoa ny tanàna hamoaka fahazoan-dalana hanorina, koa safidy tsara ny nividy tany efa nisy trano. Efa maherin’ny 30 taona ilay trano, kanefa fitaovana faran’izay tsara no nanorenana azy, hazo mafy no nanaovana ny atiny, ary norakofana marbra ny ivelany. Novidina ilay trano ary nohavaozina. Ao ankehitriny no misy ireo birao fitantanan-draharaha, ary koa ireo sampan-draharaha misahana ny Fividianana Entana, ny Fanompoana, ny Fanorenana, ary ny Kaonty. Notokanana tamin’ny 1997 izy io, niaraka tamin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Distrika Cañuelas.

Fanampiana ny tany iray etsy akaiky

Nanampy an’ireo rahalahy teto Arzantina hahazo sakafo ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Brezila sy Orogoay etsy akaiky, nandritra ny fandrarana. Anjaran’ny sampan’i Arzantina kosa izao ny manome izay ilain’i Silia etsy akaiky. Nanomboka tamin’ny Janoary 1987, dia nandefa gazety tatsy Silia i Arzantina, tamin’ny alalan’ny sampan-draharaha iray andoavam-bola, ary avy eo tamin’ny alalan’ny kamiaon’ny Fikambanana, nanomboka tamin’ny 1992.

Tsy maintsy mamakivaky ny tandavan-tendrombohitra Andes manana haambo 3 100 metatra ireo mankatsy Silia. Tsy maintsy mahay tsara ny mpamily kamiao mitarika, rehefa mitondra eo amin’ny lalana miolakolaka be eny amin’ny tendrombohitra rakotra orampanala; misy fiolahana be mampidi-doza 31 ny ampahan-dalana iray. Mahafa-po anefa ilay dia lavitra, satria mahazo ny gazetiny ara-potoana ireo rahalahy atsy Silia.

Gazety miloko manintona kokoa

Koa satria nirona kokoa ho tia sary izao tontolo izao, dia nieritreritra ny hanao pirinty Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! miloko ny Fikambanana. Ny zava-nokendrena dia ny hahatonga ireo gazetintsika hanintona kokoa nefa tsy ho lafo. Nandefa milina fanontam-pirinty offset Harris nohavaozina ho an’ny sampan’i Arzantina ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tany Etazonia. Tsy maintsy nosaratsarahina sy nofonosina ary nalefa avy tany Wallkill, any New York, ilay milina. Rehefa tonga teto Buenos Aires tamin’ny 10 Oktobra 1989 ilay entana sarobidy, dia tsy maintsy natambatra indray. Nisy rahalahy za-draharaha avy tany amin’ny foibe maneran-tany tonga teto Arzantina, mba hanara-maso ilay asa sy hampiofana ireo mpandefa ilay milina.

Nanjary nitombo be ny isan’ny gazety voapetraka noho izy ireny miloko. Tamin’ny 1991, ohatra, herintaona taorian’ny nanombohana ilay fanontana miloko, dia niampy efa ho iray tapitrisa ny isan’ny gazety voapetraka: 6 284 504 ny teo aloha ary tafakatra ho 7 248 955!

Mitondra fifampaherezana ny fivoriambe iraisam-pirenena

Efa an-taonany maro ny Vavolombelona teto Arzantina no tao anatin’ny fandrarana, koa naniry mafy ny handray fivoriambe iraisam-pirenena iray hafa izy ireo. Ela ny ela ka afaka nandray solontena vahiny efa ho 6 000 avy tany amin’ny firenena 20 mahery izy ireo teto Buenos Aires, tamin’ny Desambra 1990, tao amin’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Fiteny Madio”. Nanatrika izany ary nanao lahateny nampahery i John Barr sy i Lyman Swingle, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Niara-natao tao amin’ny kianjan’i River Plate sy i Vélez Sarsfield ilay fandaharana naharitra efatra andro, ka nisy maherin’ny 67 000 ny fitambaran’ny isan’ny mpanatrika.

Tafaray tamin’ny fanompoam-pivavahana marina izy ireo, kanefa nisongadina koa ny fahasamihafan’ny kolontsaina niavian’ireo mpanatrika. Hitanao tao ny anabavy espaniola tamin’izato akanjom-pireneny tsara tarehy, ny vehivavy japoney nanao kimono nentim-paharazana, ary ny lehilahy meksikanina nanao kompile mainty sy satroka be sofina.

Tsy nisy ta handeha izy ireo, rehefa nifarana ilay fivoriambe. Avy hatrany dia niara-niredona hiran’ilay Fanjakana tamin’ny fiteniny avy ireo rahalahy samy hafa firenena, sady nanofahofa mosara. Naharitra efa ho adiny iray izany vao nandeha nody ireo mpanatrika fivoriambe tamin’ny farany. Hoy ny mpaka sary iray ho an’ny gazety iray: “Mbola tsy nitranga mihitsy teto Arzantina ny toy izao. (...) Fitiavana re izany!”

Alao sary an-tsaina ny fientanam-pon’ireo rahalahy teto Arzantina rehefa nasaina hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany an-tany hafa! Nitranga izany tamin’ny 1993. Ho aiza anefa? Ho any Santiago, atsy Silia. Maherin’ny arivo ny avy teto Arzantina no nanatrika izany. Nanofa aotobisy 14 izy ireo, tamin’ilay dia 1 400 kilaometatra avy teto Buenos Aires nankany Santiago. Nahavariana ny faritra taza-maso nandalovany teo amin’ireo Tendrombohitra Andes, tamin’ilay dia naharitra 26 ora. Izany anefa tsy azo nampitahaina tamin’ny fifaliana tsapany rehefa tafaraka tamin’ny Kristianina hafa 80 000 teo ho eo avy tany amin’ny firenena 24, tao amin’ilay Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” naharitra efatra andro.

Nasaina handefa solontena indray ny sampan’i Arzantina tatỳ aoriana, tamin’ny 1998, mba hanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” tany São Paulo, atsy Brezila, sy tany San Diego, any Kalifornia. Nankafy tokoa ilay fivoriambe tany San Diego, niaraka tamin’ny solontena 400 mahery avy teto Arzantina, i Sara Bujdud, mpisava lalana manokana efa hatramin’ny ela. Hoy izy: “Tena be fitiavana ny Fitambara-mpitantana, noho izy nanao fandaharana ny hanome filasiana anay tao an-tranon’ireo anadahy. Izany dia nanome anay topy maso ny amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa tsy hisy intsony ny sakana ara-pirazanana sy ara-piteny.”

“Ny lelan’ny efa mahay”

Maro no nandray tsara ny fahamarinana ka nanatevin-daharana ny mpitory nitombo isa hatrany, ho vokatry ny fitorian’ireo rahalahy tamin-jotom-po sy noho ireo fandaharana ara-panahy, anisan’izany ny fivoriambe iraisam-pirenena. Tratra ny tampon’isan’ny mpitory 96 780 tamin’ny 1992. Nitombo avo roa heny ny isan’ny Vavolombelona, nanomboka tamin’ny nanoratana azy ireo ara-panjakana tamin’ny 1984.

Mazava fa nilaina ny mpiandry maro kokoa mba hikarakarana an’ireo ondrin’i Jehovah nitombo isa. (Isaia 32:1, 2; Jaona 21:16). Koa nanome fandaharam-pampiofanana loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo àry i Jehovah, mba hikarakarana an’ireo kongregasiona. Tsy inona izany fa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Natomboka tamin’ny 1987 io sekoly io tany Etazonia, ary natomboka teto Arzantina kosa izy io tamin’ny Novambra 1992. Nanjary toerana nety tsara hanaovana ilay sekoly ny trano Betela teo aloha.

Tena nankasitraka indrindra an’io tombontsoa io ireo mpianatra 375, anisan’izany ireo 91 avy tany amin’ireo tany etsy akaiky. Sarotra ny naka roa volana tsy hiasana mba hanaovana ilay Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Ny sasany niala tamin’ny asany, na namoy ny asany. Manome izay ilain’ireo mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany anefa i Jehovah. Maro no voatahy ka nahazo asa tsara karama kokoa, sady tsara kokoa noho ny teo aloha ny fepetra. — Matio 6:33.

Niasa tao amin’ny banky iray i Hugo Carenõ, rehefa nahazo fanasana hanatrika ny kilasy voalohany. Tsara ny karamany, ary namela azy hanao ny asan’ny mpisava lalana ny fandaharam-potoanany. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy, ary nanatona ny lehibeny. Nilazany anefa izy fa tsy afaka ny hahazo fanomezan-dalana tsy hiasa mba hanatrehana an’ilay sekoly. Hoy àry i Hugo: “Tena tsy maintsy mandeha aho, kanefa tiako raha tananao ho ahy ny asako mandra-pahavitan’ilay sekoly.”

Nodinihin’ny filan-kevi-pitondrana ilay raharaha, koa nekena ny fangatahany. Voatendry ho mpisava lalana manokana anefa i Hugo nony nahazo diplaoma, koa tsy maintsy hanompo 140 ora isam-bolana izy. Nivavaka tamin-kafanam-po i Hugo talohan’ny nilazany tamin’ny lehibeny fa hiala tamin’ny asany izy. Ahoana no navalin’ilay lehibeny? “Tena malahelo izahay fa tsy hiasa ato intsony ianao”, hoy izy, “kanefa mirary soa ho anao amin’ilay asanao vaovao izahay.” Mpiandraikitra mpitety faritany i Hugo ankehitriny, ary hoy izy: “Imbetsaka aho no nahita fa manohana antsika i Jehovah rehefa mifidy ny hametraka ny fanompoana azy eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika isika.”

Ireo nahazo diplaoma dia mampiorina an’ireo kongregasiona nanendrena azy, ka voaporofo fa marina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” (Matio 11:19). Mihatsara ny fivoriana, ka mitombo ny isan’ny mpanatrika. Miezaka ny ‘hahay hanao teny hampahatanjaka izay reraka’ ireo rahalahy nahazo ilay fampiofanana, rehefa manao asa fiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Isaia 50:4). Mpiandraikitra ny fizaran-tany ankehitriny ny sasany amin’ireo nahazo diplaoma, ary mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana ny maro hafa.

Fanampiana mba ‘hifady ny ra’

Arakaraka ny nitomboan’ny isan’ny mpitory no nitomboan’ny isan’ny Vavolombelona nila fikarakarana ara-pitsaboana. Niezaka hankatò an’ilay baiko ao amin’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’ izy ireo, koa nahasoa ny nanorina sampan’asa maromaro nifandray mba hanampiana azy ireo. — Asa. 15:29.

Tsy nampahazoto ny mpitsabo ny tsy hanao fampidiran-dra, rehefa noheveriny fa tena nilaina ny fampidiran-dra. Ankoatra izany, ny ankamaroan’ny mpitsara dia tsy nisalasala nanome lalana ny hampidiran-dra an-tery amin’ny Vavolombelona marary. Ny mpitsara iray, ohatra, dia nandidy ny hampidiran-dra tamin’ny marary iray nanana taratasy ara-dalàna nilaza ny tsy fanekeny ny hampidiran-dra, na tamin’ny tarehin-javatra inona na tamin’ny tarehin-javatra inona.

Natao teto Buenos Aires tamin’ny Febroary 1991 ny seminera iraisam-pirenena iray nanombohana ny asan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH). Rahalahy telo avy tao amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly tany Brooklyn no nampianatra an’ireo rahalahy 230 avy teto Arzantina sy avy tatsy Bolivia, Orogoay, Paragoay, ary Silia. Nianaran’ireo nanatrika an’ilay seminera ny fomba hamantarana ny zavatra nilain’ny Vavolombelona marary sy ny fomba hanampiana ny dokotera amin’ny fanomezana fanazavana momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra.

Misy KMH 17, voaforona loholona 98, miasa any amin’ny tanàn-dehibe manerana an’i Arzantina ankehitriny, ka manome fanazavana tena lehibe ho an’ny mpitsabo sady manolotra fanampiana amim-pitiavana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifameno ny asan’izy ireo sy ny asan’ny loholona hafa an-jatony maro feno fahafoizan-tena, izay mahaforona ny Antokona Mpamangy Marary mamangy ny Vavolombelona marary, mba hanampy sy hampahery azy ireo. Misy dokotera 3 600 eo ho eo eto Arzantina amin’izao fotoana izao, vonona ny tsy hampiasa ra rehefa hitsabo ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanampiana vonjy rano vaky, noho ny fitiavana

Mazava ho azy fa tsy vita fanefitra amin’ny loza araka ny natiora i Arzantina. Ahoana no iatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ireny loza ireny? Nisy horohoron-tany nirefy 7,4 tamin’ny maridrefy Richter nitranga tamin’ny 23 Novambra 1977, ka nitondra fahavoazana lehibe teo amin’ny tapany afovoany andrefana manontolo teto Arzantina. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, kanefa nandamina avy hatrany ny asa fanampiana vonjy rano vaky ireo rahalahy. Natosiky ny fitiavana ireo Vavolombelona teny akaikin’ilay faritra tra-doza ka nandray anjara tamin’ilay fanampiana, na teo aza ny zava-tsarotra tamin’izany. — 1 Tes. 4:9.

Nandeha tamin’izao karazana fiarakodia rehetra izao ny Vavolombelona avy tao amin’ny provansin’i Mendoza sy i San Luis teny akaiky, tamin’ilay andro nitrangan’ilay loza, mba hankanesana tany amin’ilay faritra tra-doza. Niteraka tresaka makadiry ilay horohoron-tany, koa nakaton’ny manam-pahefana ny ankamaroan’ny lalana nankany amin’ny tanànan’i Caucete, izay ravarava. Nandeha tamin’ny lalana hafa namakivaky an’ireo tanàna teny akaiky ny Vavolombelona, ka nitondra sakafo sy fitafiana ary fanafody vonjy aina. Noheverin’izy ireo ho setroka niakatra avy tamin’ny tany no hitany rehefa nanatona an’ilay tanàna izy ireo, kanefa tsy inona fa vovoka avy tamin’ilay horohoron-tany ilay izy. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia namoy ny tranony sy ny fananany ny olona, ary nisy namoy ny ainy mihitsy aza. Re hatraiza hatraiza ny toloko sy ny taraina. Trano maherin’ny arivo no rava tanteraka tao Caucete, anisan’izany ny tranon’ny rahalahy rehetra. Nanangana haingana toeram-pialofana vonjy maika ny Vavolombelona. Nisy zato teo ho eo izy ireo no nandray anjara tamin’ilay asa fanampiana vonjy rano vaky.

Hoy ny fitantaran’i María de Heredia, mpisava lalana maharitra ao amin’ny Kongregasiona Caucete: “Efa hiteraka ka nihetsi-jaza ny zanakavavin’ny mpifanila trano tamiko. Nanangana trano lay lehibe iray teo amin’ny tokotanin’ilay mpifanila trano tamiko ireo anadahy, mba hatao fialofana. Nisy oram-batravatra be tamin’iny alina iny. Velom-pankasitrahana ilay mpifanila trano tamiko, ka hoy izy: ‘Tsy mampino mihitsy ny hoe tsy nisy tonga ny tao amin’ny fiangonanay mba hijery raha velona izahay na maty. Tonga nanampy anay anefa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nila fialofana izahay!’ ”

Nandamina asa fanampiana vonjy rano vaky indray ny Vavolombelona tamin’ny Aprily 1998. Niteraka tondra-drano be tany amin’ny faritra avaratra teto Arzantina ny oram-be nikija, indrindra fa tao amin’ny provansin’i Corrientes, i Formosa, i Chaco, ary i Santa Fe. Nanana rotsakorana 60 santimetatra ny tanànan’i Goya, any Corrientes, tao anatin’ny 72 ora. Safotry ny rano ny trano ka simba ny fananan’ny 80 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay faritra. Nopaohin’ny rano ny voly sy ny biby, ary koa ny tetezana sy ny lalam-be, ka tapaka ny lalana nidirana tao amin’ilay tanàna. Niara-niasa tamin’ny loholona teo an-toerana ny Rahalahy Heriberto Dip, mpiandraikitra ny fizaran-tany tao amin’ilay faritra tra-doza, ka nizarazara ilay faritany, ary nijery an’ireo rahalahy tany an-tranony. Ny sasany nentina tamin’ny lakana nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nomena sakafo sy fitafiana ary fanafody ny rehetra.

Rehefa ren’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny provansin’i Entre Ríos teny akaiky ny fahorian’ireo mpiray finoana taminy tao Goya, dia nanao zavatra haingana izy ireo. Nahangona sakafo tsy mora simba efa ho efatra taonina sy fitafiana ireo kongregasiona 12 tao Paraná, any amin’ny provansin’i Entre Ríos, tao anatin’ny roa andro monja. Nampidiriny tao anatin’ny kamiao iray nindraminy tamin’ny Sampan-draharahan’ny Fanamboarana Lalam-be ireo vatsy fanampiana ireo.

Tsy mora velively ny nanatitra ilay fanampiana vonjy rano vaky. Tetezana roa no nopaohin’ny rano. Teo amin’ny fiampitana voalohany nisy tetezana teo aloha, dia nijanona ireo rahalahy mba hanampy ny mpiasan’ny lalam-be hametraka gonim-pasika an-jatony maro. Nampidinin’izy ireo nony avy eo ny entany tao anaty kamiao, nentiny niampita an’ilay renirano, ary nampidiriny tao anaty kamiao efa niandry azy ireo.

Rehefa nanohy ny diany izy ireo, dia tsy maintsy nandeha tamin’ny lalana safotry ny ranotrambo, hany ka sarotra ny namily an’ireo kamiao. Efa hariva somambisamby vao tonga teo amin’ny fiampitana faharoa izy ireo. Nanaiky hiverimberina hitatitra an’ireo entana teny ampita ny miaramila nanana botry lehibe.

Teny ampita no nihaonan’ireo rahalahy nitondra an’ilay fanampiana sy ireo rahalahy avy tany Goya rehefa ela ny ela, ary niara-nanohy ny dia izy ireo. Tena nihetsi-po tokoa ireo rahalahy avy tany Goya noho ny fitiavana sy ny fahatapahan-kevitr’ireo mpiray finoana taminy, ary ireo avy tany Paraná kosa nahazo fampaherezana rehefa nahita ny fiaretan’ireo tra-boina.

Nanome fanambarana koa ireo kongregasiona tao amin’ilay faritra azon’ny tondra-drano, tamin’ny fanehoany fitiavana hatrany. Ny lehilahy iray tsy mpino, vadin’ny anabavy iray, dia nilaza ny fanahiany mafy sy ny alahelony noho ny fahasahiranana ara-bola naterak’ilay orana. Nanome toky azy ilay anabavy fa hanampy azy ireo ny kongregasiona. Inona tokoa fa ny ampitson’iny, dia niova ho hagagana sy hafaliana ny alahelon’ilay rangahy, rehefa tonga tao an-tranony ny loholona nitondra vatsin-tsakafo ampy tsara! Efa nahazo fanampiana inefatra na indimy ireo Vavolombelona vao tonga teny amin’ny vahoaka ny fanampiana vonjy rano vaky avy tamin’ny fanjakana sy ny olon-tsotra.

Tsy nihalefy ny toe-tsain’ny mpisava lalana

Tapa-kevitra ny hitory ny teny ireo rahalahy tra-boina, na dia nanjary tsy nanana firy teo amin’ny lafiny ara-nofo aza izy ireo. Nampitombo ny asa fitoriany ny mpitory maro tao amin’ilay faritra azon’ny tondra-drano. Tao amin’ny kongregasiona iray, dia maro no nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy, na dia safotry ny rano aza ny 80 isan-jaton’ny faritaniny!

Nalamin’ny kongregasiona ny fitoriana tao amin’ny faritany be toeram-piasana, tany amin’ny hopitaly, teny amin’ny fijanonan’ny aotobisy, ary tany amin’ny trano avo. Afaka niasa teny amin’ireny faritra ireny ireo mpisava lalana ka tsy lena be izy ireo, na dia mbola avy ihany aza ny orana. Nianatra ny niara-niasa toy ny ekipa koa ireo mpisava lalana mpanampy, ka nanohana ny fanompoana teny amin’ny saha, sady nijery ny lafy tsaran-javatra. Maro tamin’izy ireny no mpisava lalana maharitra ankehitriny, ho vokatry ny nahatsapany ny fiahian’i Jehovah azy ireny tamim-pitiavana nandritra iny fotoana tena sarotra iny.

Eo am-piovana ny sehatr’izao tontolo izao

Tsapan’ny sampan’i Arzantina fa “eo am-piovana ny sehatr’ity tontolo ity”, ka nampirisihiny ny mpiandraikitra ny fizaran-tany mba hanitsy ny fandaharam-potoanany mba hahafahana hahita olona maro kokoa. (1 Kor. 7:31, NW ). Sarotra ny mahita olona ao an-tranony mandritra ny andro any amin’ny toerana sasany, satria maro kokoa ny olona miasa manontolo andro. Koa notolorana hevitra ny mpitory mba hanao fitoriana eny amin’ny arabe na any amin’ny toeram-piasana dieny vao maraina, fa hatao amin’ny takariva kosa ny fitoriana isan-trano. Antitranterina koa ny fitoriana an-telefaonina sy ny fitoriana tsy ara-potoana. Ampirisihina ireo mpitory mba ho mailaka hanararaotra ny fahafahana rehetra hiresaka amin’ny olona.

Nahamarika lehilahy iray niara-nilalao tamin-janany teo amin’ny zaridainam-panjakana terỳ ampitan’ny lalana ny anabavy iray nitory isan-trano. Somary niahotra ihany izy sy ilay namany nanatona an’ilay rangahy. Nanombo-dresaka taminy izy mirahavavy, ary gaga izy ireo fa nihaino tsara ilay rangahy, sady nanome ny adiresiny mihitsy aza. Nitsidika an’ilay rangahy ilay anabavy sy ny vadiny, ka nahita azy sy ny vadiny efa tsindrian-daona erỳ niandry azy ireo. Natomboka ny fampianarana azy ireo ny Baiboly, taorian’ny resadresaka maromaro nifanaovany. Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no efa nitsidika tao an-tranony, kanefa tsy naneho fahalianana mihitsy ilay ramatoa. Mandroso tsara izy mianakavy ankehitriny, ary manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’izany.

Mpitondra mpitsidika kosa no asan’i Claudio Julian Bórquez, any amin’ny provansin’i Santa Cruz, any atsimo. Hararaotiny izany toerany izany mba hanaovana fitoriana tsy ara-potoana amin’ireo mpizaha tany tonga mitsidika ny Valam-pirenena Misy Vongan-dranomandry. Misy vongan-dranomandry lehibe 13 ao amin’io valam-pirenena io, anisan’izany i Perito Moreno, izay efa ho dimy kilaometatra ny velarany ary manintona mpizaha tany avy any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Rehefa talanjona ny mpizaha tany mijery ny hakanton’ilay vongan-dranomandry, dia sarihin’ilay rahalahy ho amin’ny Mpamorona ny sain’izy ireo, ary izarany zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny samy hafa izy ireo. Eny, manararaotra ny fahafahana rehetra hitory ny teny amin’ny “karazan’olona rehetra” ny Vavolombelon’i Jehovah eto Arzantina. — 1 Tim. 2:4, NW.

Fomba hafa iray ampitana amin’ny olona ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny fitoriana eny amin’ny arabe. Marisika be amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe i Victor Buccher, ary nanasa mpitory tapatapaka iray hiaraka taminy izy. Tsy maintsy tonga tany am-piasana tamin’ny valo ora sy sasany maraina ilay mpitory, koa nanapa-kevitra ny hanomboka ny fitoriana teny amin’ny arabe tamin’ny dimy ora sy sasany maraina izy ireo. Nanampy an’io mpitory io sy ny mpianakaviny sivy ho mpitory tsy tapatapaka indray izany fitoriana vao maraina izany. Afaka nanomboka fampianarana ny Baiboly izy ireo, ary nahapetraka gazety hatramin’ny 176 isam-bolana. Nandrisika ny hafa handray anjara tamin’ny fitoriana vao maraina teny amin’ny arabe izany.

Misionera efa hatramin’ny ela — Mbola mpitory marisika ihany

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia misionera maro no nanompo teto Arzantina, nianatra fiteny vaovao, nizatra tamin’ny fomba amam-panao samy hafa, niaritra olana ara-pahasalamana, ary nisetra zava-tsarotra nandritra ny fandrarana. Voatery nandao an’i Arzantina ny sasany, satria niova faritany, nanana olana ara-pahasalamana, na nahazo andraikitra ara-pianakaviana. Nanambady ka niteraka roa lahy tatỳ aoriana i Gwaenydd Hughes, rahalahy avy tamin’ny kilasin’i Gileada fahenina; nanohy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy mandra-pahafatiny. Maty teo am-panompoana tao amin’ny faritany nanendrena azy ny hafa, toa an’i Ofelia Estrada sy i Lorene Eisenhower. Mbola marisika hatrany amin’ny asa nanendrena azy anefa ny misionera be fandavan-tena maro avy tamin’ireo kilasin’i Gileada tany am-boalohany.

Voatendry nanketo Arzantina tamin’ny 1948 i Helen Nichols sy i Helen Wilson, avy tamin’ny kilasin’i Gileada voalohany. Nirahina nankany amin’ny provansin’i Tucumán, any avaratrandrefana, izy mirahavavy tamin’ny 1961. Tsy nisy afa-tsy kongregasiona kely iray monja tao amin’ny tanànan’i San Miguel de Tucumán tamin’izany fotoana izany. Misy kongregasiona 13 sy Efitrano Fanjakana fito ao amin’io tanàna io ankehitriny, ary misy kongregasiona 5 hafa eny amin’ny faritra manodidina. Akory moa ny hafalian’ireo misionera ireo nandray anjara tamin’izany fitomboana izany!

Nanomboka ny asany misionera tany Cuba i Charles Eisenhower, izay avy tamin’ny kilasin’i Gileada voalohany, ka nanompo tany nanomboka tamin’ny 1943 ka hatramin’ny 1948 izy, ary nahita ny isan’ny mpitory 500 tany tafakatra ho 5 000. Voatendry nanketo Arzantina izy nony avy eo, ka misionera aloha, avy eo mpiandraikitra ny fizaran-tany, ary mpiandraikitra ny distrika hatramin’ny Aprily 1953. Voatendry ho mpiandraikitra ny sampana izy tamin’io fotoana io. Nanana tombontsoa nahita ny isan’ny mpitory 900 teto Arzantina tafakatra ho maherin’ny 120 000 izy. Hoy ny fanamarihan’ny Rahalahy Eisenhower, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana: “Tsy misy na inona na inona mahasambatra kokoa ny tovolahy sy ny tovovavy noho ny fanokanana tanteraka ny fiainany amin’ny fanompoana an’i Jehovah.”

Ny fifaliana entin’ny fanompoana an’i Jehovah

Faly koa ireo Vavolombelona eto Arzantina izay nirotsaka ho mpitory manontolo andro, mampiasa ny fiainany hanompoana an’i Jehovah. Natao batisa tamin’ny 1942 i Marcelo Popiel, ary tamin’ny 1946 kosa i María Oliva Popiel. Samy mpisava lalana manokana efa hatramin’ny 44 taona izy mivady. Tsy zava-baovao tamin-dry Popiel ny fandrarana tamin’ny 1976, satria efa nahita ny fameperana ny asa taorian’ny fandrarana tamin’ny 1950 avy hatrany izy ireo. Nampiany ireo vao haingana kokoa mba hiatrika ny fameperana nentin’ilay fandrarana nohavaozina, ary nampirisihiny izy ireny hanohy hanompo tamim-pahatokiana. Mankamamy an’ireo taona maro nanompoany an’i Jehovah i Marcelo. Hoy izy: “Mahafaly ny manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah izahay noho ny nanomezany anay ny tombontsoa manompo azy sy noho ny namelany anay hampiasa ireo taona tsara indrindra amin’ny fiainanay hanaovana asa tena mendrika ny hatao.”

Mitovy fihetseham-po aminy i Pietro Brandolini, izay vita batisa tamin’ny 1957 ary mpisava lalana manokana efa hatramin’ny 40 taona eo ho eo. Faly izy mampiasa ny fiainany amin’ny fanompoana manontolo andro, satria mahazo fitahiana maro be tsy nampoiziny ho azo mihitsy izy. Mafana fo erỳ izy mitantara ny fiahian’i Jehovah azy mandrakariva, na eo amin’ny lafiny ara-panahy izany na eo amin’ny lafiny ara-nofo.

Maherin’ny 70 taona izao i Pietro, ary manana olana ara-pahasalamana indraindray. Na izany aza, dia mbola mpisava lalana manokana marisika ihany izy. Vao haingana izay, dia tojo lehilahy iray mpampianatra tao amin’ny sekoly katolika izy. Notoloran’i Pietro fampianarana ny Baiboly izy, ary nanaiky tamim-pifaliana ilay mpampianatra. Taorian’ny fianarana fahefatra, dia nilaza tamin’i Pietro ilay rangahy fa ninoany hoe ny fahamarinana no nianarany. Nampiomanin’i Pietro izy fa nety hamoy ny asany, raha fantatry ny mompera tao amin’ilay sekoly fa niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tenany. Nilaza anefa ilay rangahy fa tsy nampanahy azy izany, satria afaka nahita asa tany an-toeran-kafa izy. Akory moa ny hafalian’i Pietro rehefa nandre an’ilay mpampianatra nilaza ny fiheverany ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ho zava-tsarobidy tokoa!

Mazoto indrindra amin’ny asa tsara

Olona maro hafa no nahatsapa fa mila manao zavatra maika dia maika amin’izao andro izao, ka nanjary “mazoto indrindra amin’ny asa tsara” izy ireo. (Tit. 2:14). Misy mpitory maherin’ny 120 000 eto Arzantina amin’izao fotoana izao, ary maherin’ny 7 000 amin’izy ireo no nandamina ny fiainany mba hahafahany hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra. Iray amin’ireo mpisava lalana i Hernán Torres. Efa ho 70 taona izy, jamba, ary mandeha amin’ny seza misy kodiarana. Koa mitaky ezaka bebe kokoa aminy ny manatratra ny ora takina amin’ny mpisava lalana. Mifoha maraina izy indraindray, ary mankeo amin’ny toerana iray ao amin’ilay trano fitaizana ny be antitra ipetrahany. Miresaka amin’ny hafa momba ny Baiboly izy eo, manao fiverenana mitsidika, ary manome gazety an’ireo zokiolona mipetraka ao izay tafiditra ao amin’ny lalana fizarany gazety. Raha tsara ny andro, dia mipetraka eo ivelan’ilay trano fitaizana ny be antitra izy, ka mitory amin’ny mpandalo. Indraindray dia miaraka aminy eny amin’ny fitoriana isan-trano ny rahalahy na ny anabavy iray. Ampahafantarin’ilay namany azy hoe iza no iresahany, satria tsy mahita izy. Raha lehilahy no manokatra ny varavarana, dia pehin’ilay namany indray mandeha ny sorony. Raha vehivavy kosa, dia pehiny indroa, ary raha tanora, dia intelo.

Mpanety volo i Rolando Leiva, mpisava lalana maharitra hafa iray. Arantirantiny ao amin’ny trano fanetezany ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Tsy maintsy eo foana ny nomerao farany indrindra amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Efa zatra tsy mahita afa-tsy ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hovakina ireo mpihety tonga ao. “Koa satria mora ny saran’ny fanetezako, dia vonona ny hanaiky an’izany ireo mpihety ato amiko”, hoy i Rolando. Eo am-panetezany olona iray, dia jereny eo amin’ny fitaratra ireo olona miandry ny anjarany. “Rehefa hitako fa misy olona liana amin’ny famakiana gazety iray, dia iresahako izy eo am-panetezako ny volony.” Koa nahazo famandrihana 163 i Rolando, nandritra ny taom-panompoana iray! Nanomboka fampianarana ny Baiboly maro tamin’ireo mpihety ao aminy koa izy. Valo amin’ireo fampianarana tarihiny amin’izao fotoana izao no vokatry ny fitoriana tsy ara-potoana tao amin’ny trano fanetezany.

Be zotom-po amin’ny fitoriana ny teny koa ny tanora. Mpisava lalana efa hatramin’ny roa taona ao amin’ny Kongregasiona Centro ao San Pedro, any amin’ny provansin’i Jujuy, i Elber Heguía, rahalahy iray 13 taona. Nomen’ny anabavy iray ny adiresin’ny lehilahy iray nitoriany teny amin’ny arabe izy. Nandeha nitsidika an’ilay rangahy i Elber, ary gaga nahita fa mpampianatra karate izy io. Nohatoniny ilay mpampianatra, ary nohazavainy taminy ny antony nahatongavany. Nandray ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ilay rangahy. Nankafiziny ny famakiana an’ilay boky, ka nangataka boky fanampiny ho an’ny mpianany izy. Ho vokany, dia nahapetraka boky 50 sy bokikely 40 ary gazety maromaro i Elber. Nanomboka nampianatra ny Baiboly an’ilay mpampianatra sy ny 25 tamin’ny mpianany izy. Mandroso tsara ny sasany.

Vavolombelona hatrany amin’ny faran’ny tany sy avy any amin’ny faran’ny tany

Mpitory be zotom-po avy tany an-tany hafa no nitondra ny vaovao tsara teto Arzantina tany am-boalohany, ary nanahaka ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena koa ireo rahalahy eto Arzantina. Nitombo ho 286 ny isan’ny mpianakavin’ny Betela. Misy rahalahy sy anabavy 300 hafa mandray anjara amin’ny endriny hafa amin’ny fanompoana manontolo andro manokana.

Nanao izay hahafahany ny hafa mba hanompoana any amin’ny tany ilana fanampiana kokoa. (Isaia 6:8). Tamin’ireo taona 1980, ohatra, dia nanao fandaharana ny Fitambara-mpitantana mba handefasana rahalahy 20 avy teto Arzantina ho misionera tatsy Paragoay, na dia tsy nanatrika ny Sekolin’i Gileada aza izy ireo. Vao haingana kokoa, dia nisy anabavy mpitovo maro be, ary koa ny hafa, nifindra tany amin’izay nilana fanampiana kokoa. Vonona ny hizatra amin’ny toetany mafana sy mando izy ireo mba hitoriana ny vaovao tsara. Maro amin’ireo rahalahy sy anabavy 73 avy teto Arzantina manompo atsy Paragoay ankehitriny, no miezaka hianatra ny fiteny guarani mba hahafahany hitory amin’ny olona maro kokoa.

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia maro no nandeha nanompo tatsy Bolivia sy Silia tamin’ny naha mpisava lalana sy mpiandraikitra mpitety faritany. Ny rahalahy arzantinina iray mahay miteny hongròa kosa nanao izay hahafahany rehefa nisokatra ny asa tany Eoropa Atsinanana, ka mpiandraikitra ny fizaran-tany any Hongria izy ankehitriny. Nanontany momba ny fifindrana tany Bénin, any Afrika, ny mpivady iray mba hanampy tamin’ny asa fitoriana, ka nirahina ho misionera any. Ny fitiavan’izy ireo dia mampiseho taratry ny fihetsiky ny vahoakan’i Jehovah rehetra ao amin’ny paradisa ara-panahy, izay tsy isian’ny fefy ara-pirenena.

Vonona ny ‘hitory ny teny amim-pahamehana, na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra’ ireo mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana mafana fo eto Arzantina. (2 Tim. 4:2, NW ). Noho ny fikirizan’izy ireo, dia olona maherin’ny 120 000 eto Arzantina ankehitriny no midera an’i Jehovah ka mahazo ny fitahiany tondraka. — Ohab. 10:22.

[Tabilao/Sary, pejy 186]

(Jereo ny boky)

FITOMBOAN’NY ISAN’NY VAVOLOMBELONA NANDRITRA IREO TAONA NISIAN’NY FANDRARANA

1950 1960 1970 1980

1 416 7 204 18 763 36 050

[Sary, pejy 148]

[Sary, pejy 150]

Nanampy tamin’ny fametrahana ny fototry ny asa fitoriana ny vaovao tsara teto Arzantina izy ireto: 1) George Young, 2) Juan Muñiz, 3) Carlos Ott, 4) Nicolás Argyrós

[Sary, pejy 152]

Io aotobisy io no nampiasain’i Armando Menazzi, niaraka tamin’ny Vavolombelona be zotom-po hafa, rehefa nitory nanerana provansy folo izy ireo, fara fahakeliny

[Sary, pejy 156]

Rahalahy Knorr (ankavanana) tany amin’ny iray tamin’ireo fivoriambe natao tamin’ny 1953, tao anatin’ilay fandrarana

[Sary, pejy 161]

Ny milina “offset” voalohany nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 162]

Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra” tao Río Ceballos, tamin’ny 1974

[Sary, pejy 178]

Fivoriambe tany anaty ala nandritra ny fotoan-tsarotra

[Sary, pejy 193]

Efitrano Fanjakana mitsinkafona eo amin’ny vinanin’ny Ony Paraná

[Sary, pejy 194]

Mitsidika fizaran-tany koreanina iraisam-pirenena i Steven sy i June Lee

[Sary, pejy 200]

Iray amin’ireo Efitrano Fanjakana naorina tamin’ny fomba haingana ao Ushuaia, any Terre de Feu, any amin’ny farany atsimo

[Sary, pejy 202]

Efitrano Fivoriambe eto Arzantina: 1) Moreno, 2) Córdoba, 3) Lomas de Zamora, 4) Misiones

[Sary, pejy 204]

Efitrano Fivoriamben’ny Distrika Cañuelas

[Sary, pejy 208, 209]

Fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1990

[Sary, pejy 215]

Olona maro no tsy nanan-kialofana noho ny tondra-drano be teto avaratr’i Arzantina

[Sary, pejy 218]

Misionera tany am-boalohany mbola manompo eto Arzantina: 1) Filia Spacil 2) Edith Morgan 3) Sophie Soviak 4) Helen Wilson 5) Mary Helmbrecht 6) Charles Eisenhower

[Sary, pejy 223]

1) Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): M. Puchetti, N. Cavalieri, P. Giusti, T. Kardos, R. Vázquez, C. Eisenhower

Tranon’ny Sampana: 2) birao, 3) fanontam-pirinty, 4) Trano Betela