Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Angola

Nahafoana ny finoana an’Andriamanitra ve ny ady an-trano naharitra am-polony taona maro? Nahafoana ny fahazotoana hilaza amin’ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana? Tsia dia tsia ny valiny, raha tarafina amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola! Vao mainka hihamafy kokoa ny finoanao ny hery manohan’i Jehovah, eo am-pamakianao ny tantaran’ireo manompo azy any Angola.

Arzantina

Alao sary an-tsaina ny fahasarotan’ny fitoriana ny vaovao tsara manerana ny tany iray mirefy maherin’ny 2 700 000 kilaometatra toradroa ny velarany, miovaova ny toe-taniny, ary samy hafa fiaviana ny mponina ao aminy. Eritrereto avy eo ny fomba nanaovana izany asa izany raha mbola voarara teo amin’ilay firenena nandritra ny 30 taona ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo fa nandresy an’ireo vato misakana ireo ny Vavolombelona ao amin’io tany any Amerika Atsimo io.

Guyane

Nahoana ny olona no mikely aina hitory ny vaovao tsara any amin’ny ala mikitroka tropikaly feno loza? Inona no manosika azy ireo handeha lakana amin’ny renirano mahery mba hahatongavana any amin’ny vohitra mitokana? Ny faniriana hitory amin’ny olona tso-po ny fahamarinana ara-baiboly. Izany indrindra no nataon’ny olona maro any Guyane, any Amerika Atsimo. Vakio ny tantarany mampientam-po momba ny finoany sy ny herim-pony.