Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Guyane

Guyane

Guyane

Hita hatraiza hatraiza ny ala mikitroka, mova tsy karipetra maitso ngeza be mivelatra manomboka any amin’ireo Tendrombohitra Tumuc-Humac any atsimo ka hatrany amin’ny Oseana Atlantika any avaratra. Mikoriana avy any atsimo mianavaratra ireo ony Maroni sy Oyapock, izay mamakivaky an’io ala tropikaly mikitroka io, ary mivarina any amin’ny ranomasina. Eo anelanelan’ireo ony roa ireo no misy an’i Guyane.

Mirobona tsara erỳ ny zavamaniry, satria avy mandritra ny enim-bolana mahery ny orana. Tsy maro anefa ny olona tafiditra any afovoan-tany. Vitsy ny lalana tsara miala avy any amin’ny morontsiraka, ary sarotra ny mandeha eny amin’ny renirano mahery. Mampidi-doza tokoa ireo renirano mahery, raha jerena amin’ny anarany — Saut Fracas (Renirano Mahery Midoboka Mafy), Gros Saut (Renirano Mahery Lehibe), Saut Tambour (Renirano Mahery Migobogoboka), Saut Laissé Dédé (Renirano Mahery Mahafaty), A Dieu Vat’ (Izay no Hiafaran’ny Fiainanao).

Ahitana karazan-kazo maherin’ny arivo sy orkide tsara tarehy mahavariana ary zavamaniry hafa mirobona tsara any amin’ireo ala mando sady mafana. Karazam-biby mampinono misy 170 mahery sy karazam-borona 720 ary karazam-bibikely tsy tambo isaina no monina any. Any koa no fonenan’ny bibilava anakonda makadiry, ny mamba, ny jagoara (sakadia lehibe), ary ny biby mampinono mpiremby vitsika. Matetika anefa izy ireny no tsy hita, satria mitsaitsaika mandositra izy ireny raha vao mahita olona. Manidina milamina eny amin’ireo lalan-kely sy eny ambony renirano ireo lolo manga mamirapiratra, ary indreny misidintsidina eny ambony hazo ireo vorona amin’izato lokony marevaka.

Misy isan-karazany be dia be ireo zavamaniry sy biby an’ala, ary tsy misy hafa amin’izany fa isan-karazany koa ny mponina sy ny kolontsaina eto Guyane. Miparitaka eny amin’ny morontsiraka sy manamorona ny ony ny vohitr’ireo Indianina. Anisan’ny mponina eto ny Galibi, ny Arawak, ny Palicur, ny Wayana, ny Emerillon, ary ny Oyampi.

Eny amin’ny morontsiraka sy eto an-drenivohitra eto Cayenne no iangonan’ny ankamaroan’ny mponina eto amin’ity tany kely atỳ Amerika Atsimo ity. Manamorona ny atsy amin’ny sisin-tanin’i Suriname no misy an’ireo Mainty Hoditra, taranaky ny andevo nandositra izay nentina avy tany Afrika mba hiasa teny amin’ny toeram-pambolena. Teny kreôla antsoina hoe sranan tongo no fitenin’izy ireo. Tokony ho zato taona lasa izay, dia nisy mpifindra monina aziatika avy tany Singapour sy Vietnam ary Chine tonga teto. Nanomboka tonga tamin’ny 1977 ny foko hmong, izay mpialokaloka politika avy tany Laos. Ankoatra an’ireo Aziatika, dia eo koa ireo mpifindra monina avy tany Martinika, Goadelopy, Haïti, Brezila, Suriname, Repoblika Dominikanina, Sainte-Lucie, Liban, Peroa, ary Frantsa. Mahaforona ny antsasany mahery amin’ny mponina miisa maherin’ny 150 000 ireny mpifindra monina ireny.

Fiainana henjana

Tokony ho tamin’ny taona 1500 no nisy Eoropeanina tonga voalohany teto, kanefa tsy nahavita nanorim-ponenana teto izy ireo. Henjana loatra ny tontolo iainana. Tonga zanatany frantsay tamin’ny taonjato faha-17 anefa ny faritany mahaforona an’i Guyane ankehitriny. Tatỳ aoriana, dia nalefan’i Frantsa tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona toy ny teto Cayenne sy tao Kourou ary tao Saint-Laurent ireo voaheloka hanefa sazy nandritra ny fotoana naharitra. Nalefa teo amin’ny Nosin’ny Devoly ireo gadra politika, ka vitsy monja tamin’izy ireo no tsy maty teo. Nakatona efa hatramin’ny ela ireny toby figadrana ireny. Toerana fandefasana satelita eoropeanina i Kourou ankehitriny. Misy 7 100 kilaometatra ny halavirana manelanelana an’i Guyane sy i Eoropa, kanefa mbola distrika tantanan’i Frantsa ihany i Guyane, faritany frantsay atỳ ampitan-dranomasina, ka anisan’ny Firaisambe Eoropeanina koa.

Nitantara angano iray nahakasika tanàna volamena iray teto Guyane i Sir Walter Raleigh. Teo amin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-19, efa ho 300 taona taorian’ny nitantarany izany, vao nahitana volamena teto, rehefa ela ny ela. Nentanin’ny fitsiriritana volamena ny lehilahy niisa 10 000 teo ho eo, tamin’ireo taona 1920, ka nitsofoka tany anaty ala tropikaly tany, na teo aza ireo loza, satria nanantena ny hanankarena haingana.

Avy eo dia nisy olon-kafa koa tonga teto. Nanana herim-po niatrehana ny fiainana henjana teto koa ireny olona nanorim-ponenana voalohany teto ireny, kanefa tsy tonga mba haka zavatra izy ireny fa tonga mba hanome.

Voafafy ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly

Nitondra ny vaovao tsara avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny olona be herim-po ireny. Noresahin’izy ireny tamin’ny olona ny fikasan’Andriamanitra hamarana ny aretina sy ny fahafatesana, hanampy ny olona avy amin’ny firenena rehetra hiara-miaina toy ny mpirahalahy, sy hanova ny tany ho paradisa. (Isaia 2:3, 4; 25:8; 33:24; Apok. 7:9, 10). Nandray anjara tamin’ilay asa nambaran’i Jesosy Kristy mialoha izy ireny. Nilaza tokoa mantsy i Jesosy fa hotorina “amin’izao tontolo izao” io vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra io, “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, dia vao ho tonga ny farany. (Matio 24:14). Tonga teto Guyane io asa lehibe fitoriana ny filazantsara io tamin’ny 1946. Ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany am-boalohany tonga teto Guyane, dia avy tany amin’ny faritany frantsay hafa ampitan-dranomasina toa an’i Goadelopy sy i Martinika ary koa i Guyane holandey (fantatra ankehitriny hoe Suriname), etsy andrefana.

Ny Rahalahy Olga Laaland, mpitory be zotom-po avy tany Goadelopy, no namafy ny voan’ny fahamarinana voalohany teto. Nandeha nitsidika ny reniny sy ireo zandriny lahy nipetraka tany akaikin’ny Ony Mana any afovoan-tany izy, tamin’ny Desambra 1945. Tsy maintsy nandeha lakana nandritra ny andro maromaro izy mba hahatongavana tany amin’ilay vohitra nisy ny reniny. Nohararaotiny ny fijanonana teny an-dalana tamin’ny alina tao amin’ny trano heva tsy nisy rindrina voatafo ravim-palmie, mba hitoriana sy hizarana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Rehefa tonga tao amin’ilay vohitra nisy an-dreniny tao Haut Souvenir izy, dia faly erỳ niresaka tamin’ny fianakaviany momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Gaga sady nalahelo anefa izy fa nantsoin’izy ireo hoe demonia. Tao anatin’izany fanoherana izany no nankalazany ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny 1946, ka ireo zandriny lahy ihany no nanatrika izany. Nambosin’ny mompera teo an-toerana ny reniny, ka tsy ela dia nandroaka azy, sady nivazavaza hoe: “Tsy mahazo mipetraka ato an-tranoko ny demonia!” Tsy nampihena ny zotom-pony anefa ny fanoheran-dreniny.

Tamin’ny diany niverina, dia nitory izy isaky ny fijanonana teny amin’ireo toeram-pitrandrahana volamena sy degrads, na toeram-panakalozana ara-barotra. Natory tao amin’ny trano bongo iray teo amoron’ny renirano izy sy ireo mpandeha hafa indray alina. Nidaraboka mafy ny hazo makadiry iray noho ny orana avy be. Nisahotaka i Olga ka nisitrika tao anatin’ilay renirano, nefa tsy fantany akory fa feno trondro masiaka piranhas ilay renirano. Tsy naninona anefa izy, ka nihevitra ireo olona teo fa tsy maintsy ho nanana hery avy tamin’Andriamanitra izy. Koa nohajain’izy ireo tsara izy, ary nanjary vonon-kihaino kokoa ny hafatra nentiny izy ireo.

Tonga tao Mana, vohitra nisy mponina 800 any amoron’ny Oseana Atlantika, ny Rahalahy Laaland, tamin’ny farany. Nijanona enim-bolana tao izy tamin’ny voalohany, ka nandamina fivoriana ary nampianatra tsy tapaka olona folo momba ny fahamarinana ara-baiboly mitondra ny tena fahafahana. (Jaona 8:32). Nomen’ny olona anaram-bosotra hoe Père Paletot (Mompera Mipalitao) izy, satria nanao palitao foana, tsy tahaka ny mompera teo an-toerana, izay nantsoin’izy ireo hoe Mompera Miakanjo Lava. Lany ny zavatra vita an-tsoratra nentin’ny Rahalahy Laaland. Na izany aza, dia nanao lahateny ampahibemaso sy nitory tamin-jotom-po tamin’izay rehetra nihaino azy izy. Nanjary nalaza ho mpandahateny nafana fo, tsy nisalasala hanao adihevitra nafana tamin’ny mpitondra fivavahana teo an-toerana, izy.

Niverina tany Goadelopy ny Rahalahy Laaland, efa ho roa taona taorian’ny nitsidihany an-dreniny. Tsy nisy natao batisa ireo olona nitoriany, kanefa namafy voa maro izy. Tatỳ aoriana vao nisy vokatra azo.

Mpiasa avy tany amin’ny tany maro samihafa

Nangatahin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana hanketo Guyane i Wim van Seijl avy tao amin’ny sampan’i Suriname, tamin’ny 1956. Hoy ny fitantarany: “Nandeha fiaramanidina kely niainga avy tao Saint-Laurent nankao Cayenne izahay, ary nipetraka tokony ho roatokom-bolana tao amin’ny hotely kely iray. Nahatety ny tapany lehibe tamin’i Cayenne izahay, ka nahapetraka an-jatony maro tamin’ilay boky hoe Fiainana Mandrakizay [frantsay] izahay. Tena nisy olona liana tokoa, saingy sarotra ny nanomboka fampianarana, satria tsy nahay niteny frantsay firy izahay. Ny teny fampidiran-dresaka nampiasanay isan-trano dia hoe: ‘Tonga omaly teto Cayenne tamin’ny fiaramanidina izahay, mba hitory ny vaovao tsara.’ Rehefa afaka tapa-bolana, dia mbola toy izao ihany ny nanombohanay resaka: ‘Tonga omaly teto Cayenne izahay’, satria izay no hany fampidiran-dresaka hainay tamin’ny teny frantsay! Nalefanay tao amin’ny trano fijerena sinema tranainy iray efa tsy niasa intsony ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa [frantsay]. Nadikan’ny lehilahy iray tamin’ny fiteny iray teo an-toerana ny fitantarana, ary avy eo nadikan’ny vehivavy iray tamin’ny teny frantsay.” Maro be ny olona liana, kanefa tamin’ny fomba ahoana no hikarakarana azy ireny?

Tonga mba hanampy ny Vavolombelona hafa avy tatsy Suriname. Anisan’izy ireo i Paul Naarendorp sy i Cecyl ary i Nel Pinas. Nisy nahay niteny frantsay ny vitsivitsy tamin’ireo vao tonga.

Nisy olon-kafa tsy nampoizina koa tonga nanampy. Nianatra ny Baiboly ny fianakaviana iray tao Dunkerque, tany Frantsa. Ilay zazalahy 16 taona, i Christian Bonecaze, irery ihany no mbola liana tao amin’ilay fianakaviana. Rehefa nifindra nanketo Cayenne izy mianakavy, dia niresaka tamin’ny mpiara-mianatra taminy momba ireo zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly i Christian. Liana ny iray tamin’izy ireo, ary liana koa ny anabavin’izy io telo. Nanoratra tany amin’ny Fikambanana i Christian ka nangataka fanampiana.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany no niverenan’i Xavier sy i Sara Noll tany Martinika, rehefa avy nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada izy ireo tamin’ny 1958. Nangatahin’ny Fikambanana hanketo Guyane ny Rahalahy Noll mba hanampy an’ilay antokon’olom-bitsy teto. Nandeha botry nandritra ny folo andro i Xavier, ary voatery natory teo amin’ny tokotanin-tsambo.

Noraisin’ireo olona liana an-tanan-droa ny Rahalahy Noll, rehefa tonga teto Cayenne, ka nasainy hisakafo niaraka taminy nandritra ny fotoana nijanonany teto, ary napetrany tao amin’ny efitrano tsara iray tao amin’ny hotely fatoriana notantanan’ny lehilahy iray voafonja taloha. Nitarika fampianarana ny Baiboly sy fiaraha-nidinika ara-panahy tamin’i Christian sy ilay fianakaviana nahay nandray vahiny, ny Rahalahy Noll, isan’andro. Nanjary lalina kokoa ny fahalalan’izy ireo ny fahamarinana ara-baiboly. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia nilaza ny faniriany hatao batisa i Christian, ary toy izany koa ilay namany sy ny roa tamin’ny anabavin’izy io. Tsy afaka nanao ny lahatenin’ny batisa teo amoron-dranomasina araka ny efa nomanina ny Rahalahy Noll, satria avy be ny orana. Na izany aza, dia nataony tao anatin’ny fiara kelin’izy ireo ilay lahateny. Avy eo izy dia nandroboka azy ireo, ka izany no batisa voalohany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Guyane.

Nampiasa tsara ny fotoanany tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ny Rahalahy Noll, nandritra ny fotoana nijanonany teto. Nahapetraka saika ny zavatra vita an-tsoratra rehetra nentiny izy, tao anatin’ny herinandro monja. Gazety iray monja sisa tsy napetrany mba haseho tamin’ny olona mba hanaovana famandrihana. Nahazo famandrihana 70 izy tao anatin’ny roatokom-bolana, ka nisy 12 teo ho eo tamin’ny teny sinoa. Tamin’ny fomba ahoana no nanazavany ilay famandrihana tamin’ireo Sinoa? Nasehony ny sarin’ny kilasiny tao amin’ny Sekolin’i Gileada, notondroiny ireo mpianatra sinoa tao amin’ilay kilasy, sady nanao fihetsehana be dia be izy. “Nandaitra tsara ilay izy”, hoy ny Rahalahy Noll. Anisan’ireo nitoriany i Michel Valard. Pretra ny rahalahin’izy io, izay nandeha nitady volamena tany afovoan-tany. Rehefa lasa ny Rahalahy Noll, dia i Christian Bonecaze no nitarika ny asa nataon’ilay antokon’olom-bitsy teto Cayenne.

Fotoana fohy taorian’izany, tamin’ny 1960, dia voatendry hiandraikitra ny fitoriana ny vaovao tsara teto Guyane ny sampana tany Goadelopy. Nahasoa an’ilay antokon’olona teto tokoa ny nahazo fanampiana tsy tapaka! Voapetraka ny fototra, ka azo natao ny nampitombo ny asa. Koa nirahina ho mpisava lalana manokana teto i Octave Thélise, izay avy tany Martinika, tamin’ny 1960. Nitsidika an’ireo nanao famandrihana tamin’ny gazetintsika sy ireo nandray zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nifindra mba hanompo teto Guyane tamin’io taona io ihany koa i Théophanie Victor, izay avy tany Martinika koa, ary tsy ela izy dia voatendry ho mpisava lalana manokana.

Talohan’izay, tamin’ny 1954, dia nifindra nankao Paramaribo, atsy Suriname Atoa van Pardo, holandey, sy ny vadiny martinikey, izay nifandray tamin’ny Vavolombelona. Nifindra nankao Saint-Laurent, eo ampita kelin’ny Ony Maroni mampisaraka an’i Suriname sy i Guyane, izy mivady, ny taona nanaraka. Nita tamin’ny lakana ny Ony Maroni ny Vavolombelona roa avy tatsy Suriname, dia ny Rahalahy Pinas sy ny Rahalahy Libreto, isaky ny telo volana, nandritra ny dimy taona teo ho eo, mba hanampiana an’izy mivady hampitombo ny fahalalany momba an’i Jehovah sy ny zavatra takiny. Natao batisa tamin’ny Desambra 1960 ry van Pardo sy ny olon-kafa roa avy teto Guyane, tao amin’ny fivoriamben’ny distrika iray natao tao Paramaribo, atsy Suriname, nandritra ny fitsidihan’i Milton Henschel avy tany amin’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

Nitsidika an’ireo mpitory 16 teto Cayenne i Nicolas Brisart, mpiandraikitra ny sampana tany Goadelopy, tamin’ny May 1961, mba handray anjara tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany natao voalohany teto. Nandefa ilay sarimihetsika hoe Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao (frantsay) teo anatrehan’ny mpijery 250 koa izy. Tian’ny olona tokoa ilay izy, ka nalefany koa ny sarimihetsika hafa iray — Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa (frantsay). Tian’ny olona tao Saint-Laurent koa ireo sarimihetsika ireo. Niaiky volana ny ben’ny tanàna lefitra tao Saint-Laurent, ka hoy izy: “Sambany teo amin’ny fiainako aho vao nahita zavatra toy izany.” Nony nifandray tanana tamin’ireo rahalahy izy, dia nanontany hoe: “Efa nangataka lalana tamin’ny ben’ny tanàna ve ianareo mba handefasana ilay sarimihetsikareo ao amin’ny lapan’ny tanàna? Hiresaka aminy momba izany aho rahampitso.” Sady nahazo lalana handefa ireo sarimihetsika izy ireo no nahazo lalana hanao lahateny ampahibemaso ara-baiboly isan-kariva koa. Nisy 500 mahery, tamin’ny fitambarany, ny isan’ny olona nahita an’ireo sarimihetsiky ny Fikambanana sy nandre lahateny niorina tamin’ny Baiboly, nandritra iny fitsidihana tsy hay hadinoina iny. Hoy ilay ben’ny tanàna lefitra: “Karazan’olona ohatra anareo Vavolombelon’i Jehovah no ilainay.” Voaorina teto Cayenne ny kongregasiona voalohan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tokony ho roa taona taorian’izay, tamin’ny Martsa 1963. Natao tao amin’ny trano kely iray teny an-tsisin-tanàna, tao amin’ny toerana nantsoina hoe Petit Monaco, ny fivoriana.

Ny fomba nahitan’izy ireo ny fahamarinana

Anisan’ireo tao amin’io kongregasiona voalohany io ny Rahalahy sy ny Anabavy Sylvestre, izay samy avy any Martinika. Ahoana no nahatongavan’izy mivady ho Vavolombelon’i Jehovah? Indray andro, tamin’ny 1952, rehefa teny an-dalana ho ao amin’ny toeram-pivarotana enta-madinika Rtoa Sylvestre, dia nihaona tamin’ny lehilahy iray izay efa nigadra teo amin’ny Nosin’ny Devoly. Nomen’ilay rangahy boky izay nasainy nentina ho an’ny vadiny izy. Tsy fantany hoe taiza no nahazoan’ilay rangahy an’ireo boky ireo, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantany fa tian’ny vadiny ny namaky azy ireny, koa nentiny izy ireny. Izao no tsaroany: “Rehefa napetrako teo ambonin’ny latabatra ireo boky, dia tsikaritro ilay lohateny hoe ‘Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina’. Nahaliana ahy avy hatrany io boky namelabelatra momba an’Andriamanitra io. Rehefa nody ny vadiko, dia notantaraiko taminy ny zavatra novakiko momba ny anaran’Andriamanitra sy ny fivavahana amin’ny sampy ary ny hoe inona marina moa ilay voankazo voarara. Mbola tsy nahare fanazavana toy izany mihitsy aho teo aloha. Niaiky avy hatrany aho fa izany no fahamarinana. Avy hatrany aho dia tsy nankany amin’ny fivorian’ny fivavahako intsony. Na dia mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona mihitsy aza aho, dia nanomboka niresaka tamin’ny namako momba ny zavatra nianarako tao amin’ilay boky aho, ary nampirisika an’izay rehetra niara-monina tamiko mba hamaky azy io. Nandondòna teo am-baravarako ny ramatoa iray, dia i Théophanie Victor, sivy taona tatỳ aoriana, ary nanolotra ahy gazety Mifohaza! roa. Nony handeha izy, dia nanontaniako hoe inona no fivavahany. ‘Ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah’, hoy izy. ‘Andray! Efa sivy taona izao no niandrasako anareo! Afaka mifanao fotoana ve isika?’ ” Niandany tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah izy sy ny vadiny tatỳ aoriana.

Nitorian’i Xavier Noll tany am-piasany i Michel Valard, izay anisan’ireo nanaiky ny fahamarinana, fony mbola vitsy ny Vavolombelona teto Guyane. Nanjary tsapan’i Michel tsikelikely, rehefa nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona izy, fa nahafa-po ireo valim-panontaniana azony. Nanolo-kevitra ny hampianatra azy ny Baiboly ny Anabavy Victor, ary nanaiky avy hatrany izy. Tsy tian’i Jeanne vadiny mihitsy anefa ilay fianarana. Ho vokany, dia voatery nianatra tany ivelan’ny tranony i Michel. Niaiky anefa izy fa nianatra ny fahamarinana, ka naniry hampita izany tamin’i Jeanne izy. Koa nifantina lahatsoratra avy tao amin’ny gazety fantany fa hahaliana azy izy, ka nametraka ilay izy teo amin’ny toerana tsy maintsy hahitany azy. Nanaiky hianatra ny Baiboly koa i Jeanne rehefa nandeha ny fotoana, ary niara-natao batisa izy mivady tamin’ny 1963. Nanaiky ny fahamarinana koa ny zanany, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny ny iray amin’izy ireo, dia i Jean-Daniel Michotte (zanak’i Jeanne talohan’ny nanambadiany an’i Michel Valard).

Mpampianatra tanora avy teto Guyane i Paul Chong Wing fony izy nandeha nianatra tany Frantsa, ary tamin’izay fotoana izay no nifandraisany tamin’ny Vavolombelona. Nandiso fanantenana azy ny toe-draharaha teo amin’izao tontolo izao sy ny fihetsiky ny olona. Tao amin’ny fikambanan’ny Framasao izy, kanefa tsy nahazo valin’ireo fanontaniana nanahiran-tsaina azy. Niteny anakampo foana izy fa tsy maintsy misy ny fahamarinana, ary dia tapa-kevitra ny hitady izany izy. Rehefa nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Nifandray tamin’i Michel Valard izy rehefa niverina teto Guyane, ary faly be nahafantatra fa nisy Efitrano Fanjakana teo akaiky kelin’ny tranony. Natao batisa izy tamin’ny 1964, ary natao batisa ny vadiny ny taona nanaraka. Nandroso haingana izy. Nilaina dia nilaina ny lehilahy nahay sady vonona hikarakara ny kongregasiona, hany ka voatendry ho mpikarakara ny kongregasiona izy, herintaona monja tatỳ aoriana. Nanampy tamin’ny fanorenana kongregasiona maromaro izy. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izy ankehitriny.

Fanohanana an’ireo mpitory nitokana

Tsy nitsaha-nitombo ny kongregasiona teto Cayenne, kanefa tsy nianina tamin’ny fiasana ny faritaniny teo an-toerana fotsiny ireo mpitory. Nitsidika tsindraindray an’ireo mpitory vitsivitsy nitokana tao Saint-Laurent sy Mana ary Iracoubo tamin’ny faran’ny herinandro ireo rahalahy avy teto Cayenne. Feno ny fandaharam-potoana tamin’ireny dia ireny. Nandeha fiarakodia aloha izy ireo, nanaraka ny morontsiraka avy teto Cayenne nankany Saint-Laurent, izay eo amin’ny sisin-tany iombonana amin’i Suriname. Nanao lahateny ampahibemaso sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izy ireo ny asabotsy tamin’ny enina ora hariva. Natory tao izy ireo ny alina, ary avy eo dia nianavaratra nankany Mana, mba hanomboka ny fivoriana tany tamin’ny valo ora maraina. Nisakafo antoandro teny an-dalana izy ireo rehefa nitodi-doha niverina teto Cayenne, ary avy eo dia nijanona tao Iracoubo mba hanao iny fivoriana iny ihany tamin’ny telo ora tolakandro. Nody teto Cayenne izy ireo nony avy eo.

Hazakazaka be ireny faran’ny herinandro ireny, kanefa tsy hay hadinoina izy ireny ho an’ireo nandray anjara tamin’izany. Nandeha 250 kilaometatra izy ireo tamin’ny diany nandroso fotsiny. Lalan-tany mena feno lavadavaka ireo lalana. Safotry ny rano ny lalana rehefa avy ny orana, ka nisy iray metatra ny haavon’ny rano indraindray. Voatery niandry ora vitsivitsy ireo rahalahy mandra-pihenan’ny rano, vao afaka nanohy ny diany. Tsy maintsy fiara dimy na enina no niara-dia, satria lalina be ny lavaka teo amin’ny lalana, ka matetika no tafahitsoka ny fiara. Rehefa nitranga izany, dia voatery nanapaka hazo kely tany an’ala ireo rahalahy mba hatao tetezana teo amin’ireo lavaka. Avy eo dia nanosika an’ireo fiara hiampita an’ilay tetezana ny rehetra. Ny fiara voalohany tafita ny lavaka lehibe iray no nitarihana ny fiara hafa. Tsy tonga ara-potoana koa izy ireo indraindray rehefa niandry baka tao Kourou sy tao Mana. Notafihin’ny moka ireo rahalahy teo am-piandrasana ny baka, kanefa nohararaotiny ilay fotoana mba hanolorana gazety tamin’ny mpandalo.

Nahazo fampaherezana lehibe tamin’ireny fitsidihana ireny ireo mpitory nitokana, izay naneho fankasitrahana be dia be, hany ka toy ny tsinontsinona izay nety ho olana teny an-dalana. Tsy nandeha ila anefa ny soa azo. Nahazo fampaherezana lehibe koa ireo rahalahy avy teto Cayenne, noho ny fahaiza-mandray vahiny sy ny zotom-po nasehon’ny Rahalahy sy Anabavy van Pardo, ny Anabavy Fantan, ny Anabavy Barthebin, ary ny Anabavy Defreitas. Tonga mpisava lalana manokana tao amin’ilay faritra ny Rahalahy sy ny Anabavy Fléreau avy tany Goadelopy, araka ny fandaharana natao tatỳ aoriana, ary nanao asa faran’izay tsara izy mivady, raha ny amin’ny fanolokoloana ny fahalianana. Tsy nanao tsirambina an’ireo teto Guyane ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nanatanteraka ilay asa nanirahan’i Jesosy azy ireo mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’. — Matio 28:19.

Tena nisy ny fandrosoana na dia niadana aza

Nisy mpitory 129 tao amin’ny Kongregasiona Cayenne tamin’ny 1970, ary nisy mpitory nitokana nefa narisika tao Saint-Laurent sy Kourou. Vitsy an’isa ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa nanjary fanta-daza teto Guyane. Na izany aza, dia niadana ny fandrosoana. Rehefa afaka folo taona indray vao nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Guyane.

Sarotra tamin’ny sasany ny nanaiky ny torohevitry ny Baiboly momba ny fandroahana sy ny fibebahana, ka izany no nanakantsakana ny fandrosoany ara-panahy. Nisy fisaratsarahana teo amin’ny mpitory. Ny sasany nanaiky ny fanapahan-kevitry ny fitambaran-doholona, ny hafa tsy nanaiky. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany avy tany Goadelopy tonga teto Guyane mba hiara-mandinika indray tamin’ireo rahalahy an’ireo toromarika avy tamin’ny Fitambara-mpitantana momba izany raharaha izany. Nandroso tsara ireo nanaiky ny fitarihan-dalana tamin’ny alalan’ny fitaovana nampiasain’i Jehovah.

Anton-javatra hafa iray nisy akony teo amin’ny toe-tsain’ny mpitory ny fihetsiky ny olona nanoloana ny fitoriany teto Cayenne. Nanan-kery be teo amin’ny olona ny Eglizy Katolika. Nanamavo ny Vavolombelona ireo mpitondra fivavahana, ary nitaona an’ireo mpiangona tao aminy hanohitra azy ireny. Tsy nahakivy an’ireo rahalahy izany. Raha ny marina, dia vao mainka niteraka resa-be teo amin’ny fiaraha-monina ny zotom-pon’izy ireo. Rehefa tsy nanokatra ny varavarany ny olona, dia nankao ambadiky ny trano ny Vavolombelona mba hitadiavana an’ireo olona nety ho niafina tao. Ny rahalahy sasany dia nanao adihevitra nafana tamin’ny Advantista momba ny Sabata, ary tamin’ny Mpitory Ara-pilazantsara momba ny afobe mirehitra sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Nety ho nanomboka tamin’ny maraina ka naharitra mandra-paharivan’ny andro ireny adihevitra ireny!

Tsaroan’i David Moreau, izay mpiandraikitra ny fizaran-tany nitsidika avy tany Martinika, ny iray tamin’ireny adihevitra ireny: “Niresaka tamin’ny tovolahy iray izahay, raha iny tamy ny pastoran’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ary niditra tamin’ilay resaka izy. Nisisika ny hiresaka momba ny Sabata izy. Nilaza ny Rahalahy Virgo fa tonga mba hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay, kanefa nivadika ho resaka momba ny Sabata ihany ilay izy, na ahoana na ahoana. Hoy ilay pastora: ‘Avy amin’Andriamanitra ny Sabata. Mbola hitandrina ny Sabata isika, na dia ao amin’ilay Paradisa ho avy aza!’ Notononiny ny Isaia 66:23, manao hoe: ‘Isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy ny [Tompo].’ Nanontanian’ny Rahalahy Virgo ilay pastora hoe: ‘Koa araka io andinin-teny io, inona moa tamin’ny alarobia lasa teo?’ Tsembo-dratsy ilay pastora, nanandrana nanome valin-teny maromaro, kanefa tsy hitany mihitsy ny fifandraisan’ny alarobia lasa teo sy ilay andinin-teny. ‘Voaloham-bolana ange tamin’io e! Koa jereo fa mitandrina ny Sabata ianareo, nefa manadino ny voaloham-bolana! Tsy tendron-tsoratra iray monja no esorinareo ao amin’ny Baiboly.’ ” Hoy i Virgo tamin’i David tatỳ aoriana: “Tsy mandeha mivoaka manompo mihitsy aho, raha tsy efa mijery ao amin’ny kalandrie aloha hoe rahoviana ny voaloham-bolana, sao mifanena amin’ny Advantista aho.”

Na dia nanjary havanana tamin’ny fiarovana ny zavatra ninoany aza ireo rahalahy, dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny fandresen-dahatra, fa tsy tamin’ny fitadiavana ny olona toy ny ondry, ny sasany. Nila ny hampiofanina momba ny fomba fitory mandaitra izy ireo, ary nanome ny fanampiana nilaina i Jehovah.

Nanokatra ny fitoriana tany afovoan-tany ny misionera

Nanomboka tonga teto Guyane tany amin’ny faramparan’ireo taona 1970 ireo misionera niofana tany amin’ny Sekolin’i Gileada, ary koa ireo mpisava lalana avy tany Frantsa izay voatendry mivantana ho misionera. Nanomboka àry ny asa lehibe fampiofanana sy fanatanjahana an’ireo kongregasiona. Nampianarina ny fomba fitory tamim-pahaiza-mandanjalanja sy tamin’ny fomba nandaitra kokoa ireo rahalahy. Nitarika ny asa fitoriana teo amin’ireo olona nampiasa fiteny maro samihafa teto Guyane koa ireo misionera. Tsy ela dia nanao toy izany koa ireo rahalahy teto an-toerana, ka nanomboka nianatra ny teny anglisy, portogey, sranan tongo, sy galibi, izay fitenin’ny Indianina. Manome zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 18 ny biraon’ny sampana eto Guyane, ankehitriny.

Nanompo tany Nouvelle-Calédonie i Jonadab Laaland sy ny vadiny, izay samy nahazo diplaoma tao amin’ny Sekolin’i Gileada, rehefa voatendry ho ao amin’ny faritr’i Kourou mba hanatanjaka ny kongregasiona tao, tamin’ny Aprily 1991. Namafy ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly voalohany indrindra teto Guyane i Olga Lalaand, rain’i Jonadab. Misy mpitory maherin’ny 280 midera an’i Jehovah ao Kourou ankehitriny.

Nitarika ny ezaka tamin’ny fanokafana faritany vaovao koa ny misionera, indrindra fa tany afovoan-tany, izay sarotra aleha. Tsy nahakivy azy ireo ny hoe nety ho voan’ny aretin’ny tany mafana toy ny tazomoka, nifanena tamin’ny bibilava, niaritra fanafihan’ny bibikely, nandeha lakana teo amin’ny renirano mahery nampidi-doza mba hankanesana tany amin’ny vohitra mitokana, ary nisetra oram-batravatra sy nandeha tao anatin’ny fotaka.

Nahavita asa betsaka tsara dia tsara teto Cayenne sy tao Saint-Laurent i Elie sy i Lucette Régalade. Efa niasa tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana mihitsy koa izy mivady talohan’izay, nanaraka ny tapany avaratra amin’ny Ony Maroni, any amin’ny sisin-tany andrefana. Nandeha nitory nandritra ny roatokom-bolana izy ireo, niaraka tamin’ny rahalahy vitsivitsy, ka nitety ny vohitra rehetra manamorona an’ilay ony, nanomboka tao Saint-Laurent ka hatrany Maripasoula. Voatery naato ilay dia, satria voan’ny tazomoka mahery ny iray tamin’izy ireo ka notsaboina tao Saint-Laurent. Nitohy anefa ireo dia fitoriana tany afovoan-tany, mba hahafahan’ny olona tany handre ny vaovao tsara.

Vohitra iray naorin’ireo mpikaroka toerana nisy volamena tamin’ny taonjato faha-19 i Saint-Élie. Tsy maintsy mandeha lakana adiny fito ny mpitory miainga avy eo amorontsiraka eo amin’ny Ony Sinnamary ka mamakivaky ny afovoan-tany, vao tonga ao amin’io vohitra io. Avy eo izy ireo dia mandeha an-tongotra 30 kilaometatra ao anaty ala mikitroka mandritra ny roa andro, sady mibaby kitapo mavesatra. Tsy maintsy mitondra sakafo ampy ho an’ny telo andro sy zavatra vita an-tsoratra ampy tsara ny mpitory izay mankany. Mila mandrehitra afo izy ireo amin’ny alina mba hampandosirana ny biby, ary azo inoana fa mila fandriana harato mihantona mba hatoriana. Finaritra erỳ anefa i Eric Couzinet sy i Michel Bouquet, misionera roa avy tany Frantsa, nanao izany dia izany ka nitory tamin’ny fomba feno tamin’ireo mponina 150. Nisy 20 ny olona nanatrika ny lahateny narahina sary diapositives, nandritra ny fotoana nijanonany tany.

Teo anivon’ireo olona ireo no nahitan’ny rahalahy an’i Fanélie, izay niezaka hanome fahafaham-po ny zavatra nilainy ara-panahy. Katolika izy teo aloha. Niaraka tamin’ny Advantista izy vao haingana izay. Mbola tsy nisy nitsidika azy tao Saint-Élie mihitsy ireo mpiara-mivavaka taminy. Nandefa fangatahana fianarana ny Baiboly tamin’ny alalan’ny paositra izy, kanefa tsy nahazo valiny mihitsy. Rehefa nihaona tamin’ny Vavolombelona izy, dia takany fa izy ireo no hany niezaka nitsidika ny olona tany amin’ny toerana lavitra toa an’i Saint-Élie. Nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ireo rahalahy isan’andro nandritra ny herinandro i Fanélie. Tsy ela taorian’izay, dia nifindra nankany amin’ny tanàna lehibe kokoa iray izy, ary nipetraka enim-bolana tany. Nianatra intelo isan-kerinandro izy nandritra izany fotoana izany. Rehefa niverina tao amin’ilay vohitra izy, dia efa mpitory tsy vita batisa. Nikarakara ny vadiny izay tsy Vavolombelona sy ny zanany kely dimy mianadahy i Fanélie, kanefa ny zotom-pony ho an’ny fahamarinana dia nanosika azy hanokana maherin’ny 40 ora isam-bolana tamin’ny fitoriana tamin’ny hafa. Nandamina fivoriana ho an’ny olona liana koa izy. Nisy 40 ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana izay nalaminy. Taorian’izay, dia nifindra nankany amorontsiraka i Fanélie, kanefa mbola marisika amin’ny fanompoana ihany izy. Faly izy fa vita batisa ny iray amin’ireo zanany vavy, ary mianatra ny Baiboly ny vadiny ankehitriny.

Ny misionera no tonga voalohany tany an-toeran-kafa koa, toa an’i Kaw sy i Ouanary ary i Favar, any amin’ny faritra atsinanana. Tsaroan’ny Rahalahy Couzinet tsara ny dia fitoriany voalohany tany amin’ireo toerana ireo tamin’ny 1987, niaraka tamin’ny Vavolombelona sasany teto an-toerana. Nandeha baka izy ireo, ary avy eo dia nandeha tamin’ny lalan-tany mena 40 kilaometatra tamin’ny fiarakodia, mandra-pahatongany teo amin’ny heniheny iray. Nandre feo nierona nampahatahotra izy ireo, rehefa nijanona ilay fiara. Noheverin’ny Rahalahy Couzinet fa jagoara andeha hanafika azy ireo izany. Nanome toky azy anefa ireo rahalahy niara-dia taminy fa tsy inona ilay izy fa andian-drajako mpitabataba fotsiny, izay taitra tamin’ny fahatongavan’izy ireo. Nahita mpivady nitady ny fahamarinana ireo rahalahy. Nifindra nanketo Cayenne io mpivady io, nandroso hatramin’ny batisa, ary miasa eo amin’ny saha portogey eto Guyane ankehitriny.

Voatsidika tsikelikely ireo faritany lavitra hafa maro, anisan’izany i Grand Santi sy i Papaïchton ary i Saül, izay anisan’ny voatsidiky ny misionera tamin’ny diany voalohany. Efa tsidihin’ny mpitory ilay Fanjakana tsy tapaka ankehitriny ny ankamaroan’ireo faritany mbola tsy nitoriana mihitsy teo aloha.

Fitoriana tao Maripasoula

Tamin’ny taona 1963 no efa nisy nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana tao Maripasoula, vohitra lehibe iray eo amin’ny tapany avaratra amin’ny Ony Maroni. Noho ny asany, dia tsy maintsy nankany intelo isan-taona i Adrien Jean-Marie, izay nianatra ny Baiboly tamin’izany fotoana izany. Feno hafanam-po erỳ izy noho ny fahamarinana, ka nohararaotiny izany mba hitoriana tamin’ny fomba feno sy hametrahana foana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maro.

Nisy hafa koa nitory tao Maripasoula, kanefa sarotra ny nifampiresaka tamin’ireo mponina teo an-toerana izay niteny sranan tongo. Antsoin’ireo mponina any hoe taki-taki ny teny sranan tongo, izay fiteny miorina amin’ny teny anglisy ary mampiasa voambolana avy amin’ny teny holandey, frantsay, portogey, ary ny fiteny maro samihafa avy any Afrika sy Inde. Nandefa mpisava lalana manokana niteny sranan tongo tao Maripasoula nandritra ny telo ka hatramin’ny enim-bolana ny sampan’i Suriname, kanefa tsy nandray azy ireo ny mponina. Noroahina tao amin’ilay vohitra ireo rahalahy tatỳ aoriana, satria, hono, hoe vahiny avy tatsy Suriname. Raha ny marina, ny tena antony lehibe indrindra dia satria Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.

Nalefa ho mpisava lalana manokana tao i Cornélis sy i Hélène Linguet tamin’ny 1992. Nanamora be ny asa fitoriany ny fahaizany miteny sranan tongo, ary noho izy ireo teratany frantsay, dia noraisin’ny olona tsara kokoa izy ireo. Nitory tao Maripasoula nandritra ny telo andro isan-kerinandro izy ireo, ary ny telo andro nanaraka kosa tao Papaïchton, vohitra iray izay andehanana lakana adiny iray avy ao Maripasoula. Tao an-tranony tao Maripasoula aloha no nanaovan’izy ireo ny fivoriana. Nisy olona valo nanatrika ny Fahatsiarovana, taorian’ny niasany roa taona. Naneho fikirizana tamin’ny fitoriana tao amin’io faritany lavitra io izy mivady. Nanampy azy ireo hiatrika olana maro be ny fitiavany ny olona. Novalian-tsoa ny faharetany rehefa ela ny ela, satria nisy kongregasiona roa niforona.

Anisan’ny nandray tsara ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly i Antoine Tafanier. Olona ambony ao amin’ny fiaraha-monina misy azy no fiheveran’ny olona azy, satria havany akaiky ny Gran Man, ilay manana ny fahefana tampony eo amin’ireo mpino ny hoe manam-panahy ny zavatra rehetra. Nanana vadikely roa i Tafanier, ary zavatra fahita moa izany any amin’io faritra manamorona an’ilay ony io. Koa rehefa niandany tamin’ny fahamarinana i Tafanier, dia tsy maintsy nanitsy ny fiainany izy, na hanambady ny iray tamin’izy roa vavy, na hitoetra ho mpitovo. Fantatr’izy roa vavy, izay samy nanana ny tranony, fa hifidy ny iray tamin’izy ireo izy, ka niady be izy ireo. Vavolombelona vita batisa falifaly i Antoine Tafanier ankehitriny, manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vady iray monja. Ary ahoana ny amin’ilay vehivavy faharoa? Nanomboka nianatra ny Baiboly koa izy io tatỳ aoriana, ary mpanompon’i Jehovah vita batisa ankehitriny.

Nanjary nankasitraka kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona tao amin’ilay faritra. Nomen’ny fikambanana iray teo an-toerana trano fivoriana nampiasaina maimaim-poana nandritra ny telo taona izy ireo. Rehefa tonga ny fotoana nanorenana Efitrano Fanjakana, dia nomen’ireo olona tsara fanahy ireo ny antsasak’ireo tafo fanitso. Nandefa vidéo dimy novokarin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana ny fikambanana hafa iray teo an-toerana izay niandraikitra ny televiziona. Ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana no tena nankafizin’ny mponina indrindra.

Efa tafaorina tsara ny Vavolombelona izao, ao amin’io faritra nanohitra azy ireo teo aloha io. Samy nanana Efitrano Fanjakana i Maripasoula sy i Papaïchton tamin’ny 1993, ary nandre tsy tapaka ny hafatra momba ilay Fanjakana ny mponina tany amin’io faritra manamorona ny Ony Maroni io.

Ny manamorona ny Ony Oyapock

Inona no tontosa manaraka ny sisin-tany atsinanana, izay ikorianan’ny Ony Oyapock eo anelanelan’i Guyane sy i Brezila? Nanao fanambarana tsara tao amin’ny tanànan’i Saint Georges i Adrien Jean-Marie tamin’ny 1973. Naharitra telo andro ny fitsidihany voalohany. Niverina indroa tao amin’io tanàna io izy tamin’iny taona iny ihany, ary afaka nandamina fivoriana ampahibemaso natrehin’ny olona 20. Natomboka ny fampianarana olona vitsivitsy tamin’ny alalan’ny fifanoratana, saingy tsy nahomby izany, satria tsy zatra nanoratra taratasy ireo olona nianatra. Vohitry ny Mainty Hoditra manamorona io ony io ihany i Tampac. Nahita olona liana tamin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly tao koa ny Rahalahy Jean-Marie.

Nirahina nankany amin’io faritra lavitra io i Etiennise Mandé sy i Jacqueline Lafiteau, folo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1983, mba hitory sady hanampy ny olona liana tany. Rehefa afaka ireo rahalahy teto Cayenne, dia nandeha fiaramanidina nankany Saint Georges nandritra ny faran’ny herinandro iray izy ireo mba hanampy, ka niara-nitory tamin’ireo anabavy ireo, ary nanao lahateny ampahibemaso. Tsy maintsy nanam-paharetana be anefa izy mirahavavy vao nahita vokatra. Izao no tsaroan’ny Anabavy Mandé: “Nanomboka fampianarana Baiboly maromaro aho. Tsy ela anefa dia nanomboka nanohitra ny asanay ny pretra teto an-toerana. Hoy ny sasany: ‘Nilazan’ny mompera izahay mba tsy hihaino ny Vavolombelona na hampiditra anareo ao an-trano, satria iraky ny Devoly, hono, ianareo.’ Nijanona tsy nianatra intsony ny maromaro tamin’ireo olona nampianariko.” Nahita vokatra ihany anefa izy ireo, noho ny fikirizany.

Nandray anjara koa tamin’ny fanairana ny fahalianan’ny olona tamin’ny fahamarinana tao amin’io faritra io i Michel Bouquet sy i Richard Rose, izay mpisava lalana manokana. Efa be dia be ny fitoriana natao tao Saint Georges, kanefa voatendry hifantoka tamin’ny faritany tany ivelan’ilay faritra izy ireo, nanomboka tamin’ny 1989. Vao haingana izay, dia ny Rahalahy Rose sy ny vadiny no mpisava lalana voalohany avy teto Guyane nanatrika ny Sekolin’i Gileada. Tombontsoa re izany! Manompo any Haïti izy mivady ankehitriny.

Rehefa voapetraka ny fototra teo amin’ny faritra manamorona ny Ony Oyapock eto Guyane, dia nalamina ny asa tao amin’ny faritany kely iray teny ampitan’ilay ony tatsy Brezila. Misy mponina 10 000 ao amin’ny tanànan’i Oiapoque, ary 20 minitra eo ho eo ny fitana lakana avy ao Saint Georges. Tsy ela dia tsapan’ireo rahalahy fa maro kokoa ny olona liana tao Oiapoque noho ny tao Saint Georges, koa nifantoka tao amin’io faritany io izy ireo. Izao no tsaroan’ny Rahalahy Moreau: “Tao ambadiky ny fivarotana iray izahay no natory tamin’ny alina. Tsy mora ilay izy, na dia nanome anay toerana hatoriana sy rano iray barika hisasana aza ny ramatoa nahafinaritra iray izay niantso ny tenany hoe ‘anabavy’. Nihomehy ny mpisava lalana tanora teo an-toerana rehefa nitaraina i Marylène vadiko hoe maimbo ilay rano. Samy nisasa teo an-tokotany tao anatin’ny haizina ny rehetra, ary dia lasa natory. Nanjary rikoriko anefa izahay ny ampitso maraina rehefa hitanay fa, hay, nisy voalavo be maty tao anatin’ilay barika, ary nitsinkafona ny fatiny.” Tsy nanamatroka ny fifaliana hitan’izy ireo tamin’ny fanompoana anefa izany.

Tao amin’io tanànan’i Oiapoque io, dia ny Rahalahy Bouquet mihitsy no nividy tany. Nanorina Efitrano Fanjakana iray nisy seza 80 izy sy ny Rahalahy Rose, niaraka tamin’ny mpisava lalana sy ny rahalahy hafa avy teto Cayenne. Nasiana trano nipetrahana nifandray tamin’ilay efitrano.

Tonga mba hanampy tao Oiapoque ry Da Costa, mpivady mpisava lalana manokana, tamin’ireo taona 1990. Nanao ezaka manokana izy ireo nitsidika ny sekoly rehetra ka nanolotra an’ilay boky mahasoa hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, ho an’ny tale rehetra. Nangataka lalana ny hanolotra ilay boky tamin’ny mpianatra rehetra koa izy ireo. Nekena izany fangatahany izany. Rehefa avy nandre momba izay noraketin’ilay boky ireo mpianatra sy mpampianatra rehetra, dia nangataka ny hahazo an’ilay boky. Nahapetraka boky 250 izy mivady.

Hoy ny tatitra nataon’ny Rahalahy da Costa: “Nahafinaritra tokoa ny resaka nifanaovanay tamin’ny lehiben’ny toby miaramila teo an-toerana, ary notoloranay ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy. Noraisiny ilay izy, ary nangatahiny ny hanampiana an’ireo miaramilany nimamo sady naloto fitondran-tena tao amin’ilay toby. Nanolo-kevitra ny hanao lahateny ho azy ireo izahay. Tiany ilay hevitra, ary nampanantena izy fa hisy olona vitsivitsy hanatrika izany ny herinandro nanaraka. Rehefa tonga mba hanao ilay lahateny izahay, dia nisy miaramila 140 niandry anay. Nihaino tsara ny rehetra. Nahapetraka gazety 70 izahay; tsy nisy intsony teny aminay satria tsy nampoizinay hisy maro be toy izany ho tonga tamin’ilay fivoriana nalaminay. Nitohy nandritra ny herinandro maromaro ilay fandaharana. Koa satria tsy mijanona maharitra eo amin’ny toerana iray ireo miaramila ireo, dia tapaka ny fifandraisanay tamin’ny ankamaroan’izy ireo.” Na izany aza, dia maro no niova noho ilay fanampiana.

Efa nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona tatsy Brezila ny tovovavy iray nantsoina hoe Rosa, kanefa tsy tena nandray tsara ny vaovao tsara izy. Reny fa nety hahazoana vola be ny fiasana tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena teto Guyane. Koa nilaozany ny tranony sy ny fianarany ny Baiboly, ary tonga tao Oiapoque izy mba hiditra an-tsokosoko teto Guyane. Mazava ho azy fa ho nampidi-doza ho an’ny vehivavy irery ny niaraka tamin’ireo lehilahy tany amin’ny toeram-pitrandrahana volamena tany afovoan’ny ala tany. Nanahy ny amin’izany ny anabavy iray tao Oiapoque, ka nanampy azy handinika indray ny toerany, talohan’ny nandehanany tany amin’ny toeram-pitrandrahana. Nanohina lalina ny fon’i Rosa ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Matio 6:25-34, ary dia niova hevitra izy. Nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah izy, ary niverina nody. Tafaray indray tamin’ny vadiny izy, rehefa avy nisara-toerana nandritra ny taona maromaro izy ireo.

Misy kongregasiona iray manana mpitory 25 ao Oiapoque ankehitriny. Ahitam-bokatra koa ny ezaka ataon’ireo mpitory dimy ao Saint Georges. I Jean René Mathurin no voalohany niandany tamin’ny fahamarinana tao Saint Georges. Mpanampy amin’ny fanompoana izy ankehitriny, ary mpisava lalana maharitra ny vadiny.

Fivoriambe mahafaly

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nodidiana hivory tsy tapaka mba hanolotra fanompoam-pivavahana ireo mpivavaka tamin’i Jehovah. (Deot. 16:1-17). Torak’izany koa fa zava-nisongadina teo amin’ny fiainan’ny mpivavaka amin’i Jehovah teto Guyane amin’ny andro ankehitriny ireo fivoriambe. Na dia mbola vitsy an’isa aza ireo mpitory, dia tsy nisalasala ny hiantsoroka andraikitra tamin’ny fandaminana fivoriambe ireo rahalahy. Hoy ny fitantaran’ny rahalahy iray: “Tamin’ireo taona 1960, dia naharitra valo andro ireo fivoriamben’ny distrikanay. Nisy efatra ny fampisehoana tantara ara-baiboly. Tsy maintsy nianatra tsianjery ny anjarany ny mpilalao, ary tsy maintsy niasa mafy ireo mpitory vitsy kely. Soa ihany fa nisy rahalahy maro be avy tany Martinika sy Goadelopy tonga mba hanampy anay tamin’ireo fivoriambe.” Nankasitraka tokoa ny fahatongavan’izy ireny ireo rahalahy. Mbola fahatsiarovana ankafizin’ny maro ireo andro nitsenan’ny ankamaroan’ny rahalahy teo an-toerana an’ireo avy tany Martinika sy Goadelopy, teny amin’ny seranam-piaramanidina.

Tena fotoam-pifaliana tokoa ireny fivoriambe ireny. Fety ara-panahy ny fivoriambe tsirairay, ary toy izay tsapan’ny Isiraelita nilazan’i Jehovah toy izao no tsapan’ireo rahalahy: “Mifalia (...) eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo”. — Lev. 23:40.

Tena be andraikitra mihitsy ireo rahalahy za-draharaha kokoa. Izy ireo no nandamina ny fivoriambe, nanao lahateny, ary matetika koa izy ireo no nilalao tamin’ny fampisehoana tantara maromaro. Fahita ny hoe nisy rahalahy nandray anjara tamin’ny fampisehoana tantara telo, ary koa nanao lahateny dimy na enina.

Mbola asa fanampiny koa ny fanomanana sakafo antoandro nahavoky tsara. Indraindray ny sakafo dia nisy kisoa, androngo, agouti (biby mpikiky mitovitovy habe amin’ny bitro), sokatra, ary tatou (biby mampinono mitovitovy amin’ny voalavo lehibe, saingy rakotra kirany mafy ny vatany). Raha mbola tany amin’ny fivoriambe ireo rahalahy, dia voatery nandeha nihaza na nanjono koa indraindray, mba hitadiavana sakafo haroso.

Zava-tsarotra foana ny nahita toerana nanaovana fivoriambe. Nampiasaina ny tranon-dry Valard teo am-boalohany. Nanorenan’ireo rahalahy trano heva teo an-tokotaniny, ary nitarina ilay izy isan-taona, arakaraka ny nitomboan’ny isan’ny mpanatrika. Rehefa nihoatra ny 200 anefa ny isan’ny mpanatrika, dia tena nilaina ny nitady toerana lehibe kokoa. Kianja filalaovana handibaolina na baskety no hany toerana azon’izy ireo nohofana tany am-boalohany. Nanangana lampihazo ireo rahalahy, ary nasaina nitondra ny sezany avy ny mpanatrika. Tsy mora izany, kanefa nijery ny lafy tsaran-javatra ireo rahalahy. Tsy nisalasala mihitsy ny tanora nanome ny toerany ho an’ny zokiny kokoa, na dia voatery nitsangana nandritra ny andro manontolo aza izy ireo.

Nandritra ny taona maro, dia toeram-pandihizana no nohofana nanaovana fivoriambe. Rehefa vita ny fotoam-pivoriana ny asabotsy, dia voatery nanala haingana ny zava-drehetra tao amin’ilay efitrano ireo rahalahy, satria efa tonga ny mpitendry zavamaneno mba hanomana ny fandihizana haharitra ny alina manontolo. Niverina vao maraina be ireo rahalahy mba hanadio an’ilay efitrano, ka hanomana azy io ho amin’ny fotoam-pivoriana ny alahady maraina. Mazava ho azy fa tsy izany no karazan-toerana noheverin’ny olona tamin’ny ankapobeny ho toerana sahaza hanaovana fivoriana ara-pivavahana. Nanjary nesoin’ny olona teo amin’ny faritany ireo rahalahy, rehefa nanao fivoriambe tao amin’ny toeram-pandihizana Guyana Palace sy Au Soleil Levant ary Au Canari. Tsy antonona intsony an’ireo mpanatrika ny fivoriambe tsy nitsaha-nitombo koa anefa ireny toerana ireny, rehefa nandeha ny fotoana.

Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra ireo rahalahy fa hanorina ny Efitrano Fivoriambeny manokana, hitovy amin’ny an’i Martinika sy i Goadelopy. Natao rafi-by ilay izy, ary nasiana tafo fanitso. Natao malalaka tsara ilay izy mba ho antonona olona arivo teo ho eo, kanefa natao ho mora noravana koa. Ny dingana nanaraka dia ny nitady tany azo nanorenana an’ilay Efitrano Fivoriambe. Nomen’i Jean-Daniel Michotte ny ampahany tamin’ny taniny. Naharitra taona maromaro io fandaharana io.

Tetik’asa fanorenana nahatalanjona

Nanjary nilaina ny Efitrano Fivoriambe lehibe kokoa, satria nitombo ny isan’ny olona liana tamin’ny fahamarinana. Nanomboka nitady tany antonona Efitrano Fivoriambe hisy seza 2 000 ireo rahalahy. Nikaroka nandritra ny taona maromaro izy ireo, ary nahita tany iray tsara toerana mirefy telo hektara izay azony tamin’ny vidiny mirary. Nangatahina ny sampan’i Frantsa mba hanampy, satria tsy nahay ny teknika sy ny fomba fanorenana nilaina ny rahalahy teto an-toerana. Tena nahatalanjona tokoa ilay tetik’asa novolavolaina. Tontosa izy io tamin’ny 1993. Efitrano Fivoriambe iray manana velarany 2 000 metatra toradroa sy Efitrano Fanjakana dimy sy trano telo ho an’ny mpisava lalana manokana ary trano telo ho an’ny misionera, no naorina, ary izy rehetra ireo dia voaorina tao anatin’ny roa volana monja!

Nalefan’i Frantsa tao anaty kaontenera lehibe 32 ny ankamaroan’ireo fitaovana. Anisan’ireo entana nalefa ny traktera, ny kamiao, ny aotobisy, ny biriky simenitra poakaty, ny tafo fanitso, ary ny fitaovam-panorenana hafa, mbamin’ny vatsin-tsakafo be dia be. Niasa mafy ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana tany Frantsa, izay nandray anjara tamin’ilay tetik’asa.

Nandritra ilay fanorenana, dia rahalahy sy anabavy 800 teo ho eo no nianto-tena avy tany Frantsa ka tonga mba hiara-miasa tamin’ny rahalahy sy ny anabavy 500 teto an-toerana, tany amin’ny toeram-panorenana efatra samy hafa. Nisy 250 kilaometatra ny elanelan’ireo toeram-panorenana tany amin’ny farany andrefana sy tany amin’ny farany atsinanana, koa nilaina ny fifandraisana tsara. Nifandimby tonga nandritra ny roa volana ireo rahalahy frantsay, kanefa nisy fotoana nisian’ny mpiasa 500 indray tonga avy tany Frantsa, niara-niasa tamin’ny Vavolombelona 422 teto an-toerana. Zava-tsarotra ny nanome filasiana ho an’ny mpiasa rehetra. Nandray mpiasa roa na telo avy tany Frantsa ny fianakaviana maro teto an-toerana, fa tsy nisy napetraka tany amin’ny hotely fatoriana. Nila fitaterana koa ireo mpiasa. Hoy ny fitantaran’ny rahalahy iray: “Nihodina lavitra aho mba hanatitra mpiasa sasany tany amin’ilay toeram-panorenana rehefa nandeha niasa, ary naka azy ireo indray aho rehefa avy niasa. Nanao araka izay fara herinay izahay, mba hanamorana ny fiainan’ireo mpiasa.”

Tao Matoury, teo amin’ilay toerana nanorenana ny Efitrano Fivoriambe (izay nasiana Efitrano Fanjakana iray koa), ny ankamaroan’ny mpiasa, fa tao Sinnamary kosa ny hafa mba hanorina Efitrano Fanjakana sy trano kelikely iray ho an’ny misionera. Naorina tao Mana ny Efitrano Fanjakana hafa iray sy ny trano hafa iray ho an’ny misionera. Ary naorina tao amin’ny faritry ny mponina sranan tongo, tao Mana ihany, ny Efitrano Fanjakana iray mbamin’ny trano iray ho an’ny mpisava lalana manokana. Naorina tao Saint-Laurent kosa ny Efitrano Fanjakana iray nisy seza 330 sy ny trano iray ho an’ny misionera enina. Misy kongregasiona roa mivory ao amin’io Efitrano Fanjakana lehibe io, izay ampiasaina koa amin’ny fivoriamben’ny distrika amin’ny teny sranan tongo; matetika no tafakatra hatramin’ny 600 ny isan’ny mpanatrika.

Taorian’io asa fanorenana goavana io, dia nanapa-kevitra ny hanorim-ponenana teto Guyane ny rahalahy frantsay sasany. Efa nampiasa ny fahaizany manorina izy ireo, kanefa tsy vitan’izany ihany fa mbola fitahiana ho an’ny kongregasiona koa izy ireo amin’ny fanompoany amin’ny maha loholona, mpanampy amin’ny fanompoana, ary anisan’ny komitin’ny fanorenana. Nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tranon’ny sampana vaovao ny sasany tatỳ aoriana.

Nilaina ny biraon’ny sampana

Nanomboka niasa ny biraon’ny sampan’i Guyane tamin’ny 1990, ka tao amin’ny trano iray nohofana tao Montjoly, tanàna iray tsy lavitra ny renivohitra, no nisy azy io. Voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampana i David Moreau. Fony izy nanompo tany Martinika taorian’ny nahazoany diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1981, dia matetika izy no namita iraka teto Guyane. Anisan’ny Komitin’ny Sampana koa i Jean-Daniel Michotte sy i Paul Chong Wing ary i Eric Couzinet. Voatendry hiara-miasa tamin’izy ireo i Christian Belotti tatỳ aoriana. Nankasitrahan’ireo kongregasiona tokoa ny nahazoany fitarihan-dalana teto an-toerana tamin’ny alalan’ny rahalahy matotra izay tena nahafantatra izay nilain’izy ireo.

Rehefa niforona ny sampana, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 1 isaky ny mponina 173 teto Guyane. Anisan’ireo mpitory 660 ny misionera 14 voatendry hiasa tany amin’ny faritra samihafa. Voatery nitady trano sahaza kokoa ho an’ny biraon’ny sampana izahay, satria tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny mpitory — nisy fitomboana 18 isan-jato mihitsy aza tamin’ny taona sasany. Nafindra tao Matoury, tsy lavitra an’i Cayenne, ny biraon’ny sampana tamin’ny 1992. Avy eo dia neken’ny Fitambara-mpitantana ny hanorenana trano nifanentana tsara kokoa tamin’izay nilain’ny sampana teto, tamin’ny 1995. Vita tao anatin’ny roa taona ilay asa fanorenana ny tranon’ny sampana vaovao. Loharanom-pifaliana lehibe ho an’ireo rahalahy tokoa izany, ary nanome fanambarana faran’izay tsara!

Zava-tsarotra eo amin’ny fanompoana

Ny fitoriana ny vaovao tsara eto Guyane dia mitaky asa mafy sy fahafoizan-tena ary fitiavana. Mahamarika izany ny mpianatra ny Baiboly tso-po. Nilaza toy izao tamin’ilay Vavolombelona nampianatra azy ny iray amin’izy ireny: “Hitako tokoa fa tena maneho fitiavana sy fandavan-tena ianao, eo amin’ny fanampiana ahy. Nandritra ny volana maro, eny, fa na avy aza ny orana, dia tonga foana ianao mba hampianatra ahy momba ny fahalalana ny vaovao tsara. Hanatrika ny fivorianareo kosa àry aho, isaky ny alahady.” Izany no nataony, ary nitondra namana mihitsy aza izy.

Voatery mandeha eo amin’ny vatan-kazo napetraka eo ambony lakandrano ny mpitory indraindray, rehefa mamonjy ny toerana ampianarany. Manjary sarotra kokoa izany rehefa somary mitsinkafona ilay vatan-kazo. Nandeha teo alohan’ny anabavy mpisava lalana iray i David Moreau, namelatra ny sandriny roa mba tsy hianjera, raha injay reny nisy nidaboka tao aoriany. Be herim-po ilay anabavy ka niakatra teo ambonin’ilay vatan-kazo indray, nisasa rehefa tonga tany amin’izay nalehany, ary nitarika ilay fampianarana ny Baiboly, toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga.

Nandeha lakana ny Rahalahy Bouquet nankany amin’ny vohitra hafa iray; nisintona ny ranomasina tamin’izay fotoana izay ka feno fotaka nandrevo ny moron’ny ony. Tafalentika halohalika tao anatin’ny fotaka izy, rehefa nandeha an-tongotra namonjy an’ilay vohitra. Nandeha teo amin’ny 25 metatra teo ho eo izy vao nanitsaka tany maina. Tsara fanahy ireo mponina tao amin’ilay vohitra, satria nanome azy rano hanasany ny tongony, ary taorian’izay izy vao afaka nanomboka ny fanompoany.

Sarotra ny mitory amin’ireo Indianina, tsy noho ny halavitry ny vohitra misy azy na noho ny tsy fitoviam-piteny ihany, fa noho izao antony izao koa: Feran’ny fanjakana ny fidiran’ny besinimaro any amin’ny faritanin’izy ireny, mba hiarovana ireny faritany ireny tsy hitsofotsofohan’ny kolontsaina hafa. Tsy azo atao ny mitory amin’ny fomba voalamina any amin’ireo vohitra misy azy ireny. Rehefa tonga mitsidika ny vohitra eny akaiky anefa ireo Indianina mba hividy zavatra tena ilainy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka hiresaka amin’izy ireny momba ny fanantenana kanto ny amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny aretina rehetra, anisan’izany ny tazomoka, izay mamely olona maro eto Guyane.

Mitaky fiovana lehibe eo amin’ny fomba fisainan’ny sasany ny fanajana fotoana sy ny fanatrehana fivoriana amin’ny ora hentitra. Mbola tsy nanana famantaranandro mihitsy ireo teratany teto, 30 taona lasa izay, ary tsy nisy olona maimaika izany. Zava-baovao ho azy ireo ny fahatongavana ara-potoana any amin’ny fivoriana. Faly erỳ ny anabavy iray fa tonga nandritra ny vavaka, kanjo, efa vavaka famaranana ilay izy! Nanontanian’ny misionera iray nitory tao Saint Georges ny lehilahy iray indray mandeha, raha lavitra ny vohitr’i Régina na tsia. “Tsy dia lavitra”, hoy ny navalin’ilay rangahy. “Tsy dia lavitra ahoana izany?”, hoy ilay rahalahy. “Dia an-tongotra sivy andro monja.” Asehon’izany fiheverana ny fotoana izany koa ny hoe nahoana ny olona sasany no mangataka andro vao manapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra, na dia tiany aza ny fahamarinana.

Tsy maintsy nifidy ny sasany na hanaraka ny lalàn’ny foko na hanaraka ny foto-pitsipiky ny Baiboly, raha ny amin’ny fiainam-pianakaviana. Nampipoaka ny fahatezeran’ny raiamandrenin’ny tanàna indraindray ny fanapahan-keviny handeha amin’ny lalan’i Jehovah. Tao amin’ny vohitra iray, dia nomelohin’ny raiamandrenin’ny tanàna ho faty ny mpisava lalana manokana iray sy ny vadiny nanompo tao amin’ilay faritra. Nandositra niala tao amin’ilay vohitra izy mivady mba tsy ho faty, ary avy eo nafindra faritany tany amin’ny 300 kilaometatra.

Na eo aza ireny zava-tsarotra ireny, dia misy olona avy amin’ny fari-piainana rehetra mamaly an’izao fanasana izao: “Izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17). Nisy tampon’isan’ny mpitory 1 500 nandray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara teto Guyane, tamin’ny taon-dasa. Nisy fampianarana ny Baiboly 2 288, tamin’ny antsalany, notarihina tamin’ny olona liana. Tamin’ny 19 Aprily, dia nisy 5 293 nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Mivavaka mafy izahay mba hisy maro kokoa hanaraka ny fahamarinana, ka ho tonga tena mpianatr’i Jesosy Kristy tokoa.

[Sary, pejy 224]

[Sary, pejy 228]

Olga Laaland

[Sary, pejy 230]

Ankavia miankavanana: Christian Bonecaze sy Xavier Noll

[Sary, pejy 234]

Michel sy Jeanne Valard

[Sary, pejy 237]

Constance sy Edmogène Fléreau

[Sary, pejy 238]

1) Lalan-kely vita amin’ny hazo manavatsava ala tropikaly, 2) Eric Couzinet sy Michel Bouquet nitondra vatsy, 3) Vohitry ny Indianina

[Sary, pejy 241]

Elie sy Lucette Régalade

[Sary, pejy 251]

Tetik’asa fanorenana iraisam-pirenena naharitra roa volana: 1) Efitrano Fivoriambe ao Matoury; Efitrano Fanjakana sy trano fonenana hafa ao 2, 3) Mana, 4) Saint-Laurent sy 5) Sinnamary; 6) nifarimbona tamin’ilay asa ny Vavolombelona teto Guyane, mbamin’ny mpiasa an-jatony maro avy tany Frantsa

[Sary, pejy 252, 253]

Biraon’ny sampana sy Trano Betela eto Guyane, ary ny Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): Paul Chong Wing, David Moreau, Jean-Daniel Michotte, Eric Couzinet