Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

ENDREY izany tombontsoa manokana ananantsika! Manana tombontsoa mahafantatra an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina sy velona, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, isika, amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah antsika, ary tsy izany ihany fa manana tombontsoa mitondra ny anarany sy manompo azy koa. Aiza indray no mety hahitantsika fitahiana lehibe kokoa noho izany! — Isaia 43:12; Heb. 8:11.

Manana ny fanantenana famonjena isika ary nirahina hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana mba hahafahan’ny hafa koa hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah sy hanana fanantenana toa antsika. (Matio 24:14; Rom. 10:13, 14; 1 Tes. 5:8). Faly koa isika fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena miara-mivavaka izay mifankatia sy mifanampy tokoa. Mahafa-po tokoa izany rehetra izany!

Mety àry izao fanasan’ny Baiboly antsika izao: “Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana (...). Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana; misaora Azy, mankalazà ny anarany, fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.” (Sal. 100:2-5). Mifandray mivantana amin’ny fananana fifandraisana manokana sady akaiky amin’i Jehovah, ny fanompoana azy amim-pifaliana. Ataony izay hahafahantsika hanana izany fifandraisana izany, ary manana tombontsoa isika manolokolo izany. Rehefa manana izany karazana fifandraisana izany isika, dia fantatsika fa vonona foana ny hanampy sy ny hanatanjaka antsika i Jehovah, rehefa mila an’izany isika. Matoky isika fa hanome ny tanjaka sy ny fitarihan-dalana ara-panahy ilaintsika mba hiatrehana an’ireo zava-tsarotra amin’izao andro faran’ity fandehan-javatra ity izao, izy. Faly isika manompo, na manao ahoana na manao ahoana ny fanerena mihatra amintsika, ary misaotra an’i Jehovah isan’andro isika, satria ‘miahy antsika izy’, araka ny ampahatsiahivin’ny Teniny antsika. — 1 Pet. 5:7.

Tena nitahy be dia be antsika tokoa i Jehovah, nandritra iny taon-dasa iny. Nientam-po isika tafaraka tamin’ny olona an’arivony maro hafa manana finoana sarobidy toy ny antsika, niara-nihira sy niara-nihinana hanim-pito loha teo amin’ny latabatr’i Jehovah ara-panahy, tao amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Faly koa isika niara-nianatra ilay boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, tao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, izay nanatanjaka ny finoantsika. Ary ankoatra izany, dia nientam-po isika nahazo ny Boky I amin’ilay boky vaovao hoe Ny Faminanian’i Isaia — Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra! ‘Feno dia feno ny kapoakantsika.’ — Sal. 23:5.

Akory moa ny hafaliantsika mahafantatra fa tafaray amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika mpirahalahy sy mpianadahy an-tapitrisany maro! Mampahery tokoa ny mamaky ny tatitra momba ny tampon’isa vaovao tratra teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha! Faly isika fa nisy an-tapitrisany maro nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompontsika — na teo aza ny toe-draharaha teo amin’izao tontolo izao. Miharihary avy amin’ny fijerentsika ny saha maneran-tany, fa “be ny vokatra”. (Lioka 10:2). Mpianatra ny Baiboly 5 555 isan-kerinandro, tamin’ny antsalany, no nandroso ka nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao anaty rano, tamin’ny taon-dasa. Marina fa be kokoa noho ny any amin’ny faritra hafa ny vokatra any amin’ny faritra sasany eto an-tany, kanefa ravoravo isika rehetra noho izay ataon’i Jehovah ankehitriny. Mahita porofo mazava isika fa mitahy ny ezaka ifarimbonan’ny mpanompony izy.

Mbola antony hafa mahafaly indrindra ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao! Faly tokoa isika mahita fa manohana amin’ny fo manontolo an’io asa io ireo rahalahintsika sy anabavintsika any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Efitrano Fanjakana an-jatony maro no efa voaorina noho ny fanampian’ny Antokona Mpanorina Efitrano Fanjakana izay efa nomena ny fampiofanana nilainy. Mifindrafindra kongregasiona ao amin’ny taniny ihany ireny rahalahy ireny mba hitarika ny tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana. Koa satria misy Efitrano Fanjakana an’arivony maro mbola ilaina haorina, dia alefa ny antso ho an’ny mpiasa an-tsitrapo maro kokoa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, mba hanampy amin’io asa tena ilaina io. Raha mipetraka any amin’ny tany toy izany ianao, azonao atao ve ny manao ezaka mba ho afaka hanampy? Tena ankasitrahan’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika tokoa ny fananana ny Efitrano Fanjakanany manokana, izay ivoriany mba hanolorana fanompoam-pivavahana! Ary velom-pankasitrahana tokoa izy ireo noho ny fanampiana ara-bola omen’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany mba hahafahany hanana izany!

Mampientam-po antsika ny vaovao momba ny fandresena ara-pitsarana. Misy koa anefa ny olona ambony maniry hanafoana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, any amin’ny tany maro. Eo am-piatrehantsika ireo toe-javatra ireo, dia matoky isika fa mahavonjy i Jehovah, na maro aza ny mpanohitra, ary na toa tsy manan-kery aza ny mpanompony. (2 Tant. 14:10). Midera indrindra anareo rehetra manohy mijoro mafy ho an’ny fanompoam-pivavahana marina izahay, ry rahalahy sy anabavy.

Hatanjaho hatrany ny finoanareo, ary miantehera mafy hatrany amin’i Jehovah mba hahazoana fitarihan-dalana, eo am-piantsorohanareo amim-pifaliana ny andraikitrareo kristianina. (Ohab. 3:5, 6). Tsy misy antony tokony hahakivy antsika, na inona na inona zavatra mety havela hataon’ny fahavalo. Tadidio izao fampaherezana nomen’i Elisa an’ilay mpanompony nitebiteby izao: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” (2 Mpanj. 6:15-17). Vonona ny hiaro ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana madio ny tafik’i Jehovah any an-danitra ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Elisa. Miatrika ny hoavy amin-toky isika. I Jehovah no mifehy ny zava-drehetra. Tsy afaka mifanandrina aminy ireo firenena. Nomeny fiandrianana ny Zanany ka manana fahefana feno hanapaka. “Sambatra izay rehetra mialoka aminy.” — Sal. 2:1-6, 12.

Tadidio fa mahatsiaro anareo rehetra mandrakariva izahay, ry rahalahy sy anabavy malala. Mivavaka amin’ny fonay izahay mba ‘hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy ny tsirairay avy aminareo, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’. — Kol. 4:12, NW.

Ireo rahalahinareo,

Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah