Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Afrika

Kontinanta lehibe indrindra faharoa eto amin’ny planetantsika i Afrika, ary ampahadimin’ny tany maina eran-tany ny velaran-taniny. Ahitana ala tropikaly sy zavamiaina any an’ala maro isan-karazany, toy ny elefanta sy ny zirafy ary ny liona, manaraka ny ekoatera. Any avaratra no misy an’i Sahara, ny tany efitra lehibe indrindra eto an-tany. Eo amin’io kontinanta nantsoin’ny sasany hoe Kontinanta Mainty io, dia mihamamirapiratra hatrany ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. — Matio 4:16.

Notaritarihin’ny mpiara-mianatra taminy teo anatrehan’ny mpampianatra i Marie, enin-taona, any Ghana, ka nampangain’izy ireo ho sady tsy nikimpy no tsy nanao hoe “Amena”, rehefa nivavaka ny iray kilasy. Nanontanian’ilay mpampianatra ny antony. Tony tsara i Marie nanazava hoe: “Mivavaka amin’i Jesosy ianareo, kanefa fantatro avy amin’ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’ny fianakaviako fa tsy tokony hivavaka afa-tsy amin’i Jehovah irery ihany, amin’ny alalan’i Jesosy, isika. Koa ahoana no ahafahako manao hoe ‘Amena’ rehefa mivavaka ianareo?” Talanjona ilay mpampianatra ka niteny tamin’ireo mpianatra hoe: “Avelao izy fa Vavolombelon’i Jehovah.” Nandefasan’ny renin’i Marie ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly ilay mpampianatra tatỳ aoriana. Ampiasain’ilay mpampianatra hampianarana an’ilay kilasy izy io, amin’ny fotoana fianarana momba ny Baiboly.

Mipetraka any Guinée i Alfred, ary nianatra ny fahamarinana sady nahazo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izy tamin’ny 1996. Niverina tany amin’ny vohitra niaviany izy nony afaka kelikely. Ny nifampikasohany nandritra ny fotoana fohy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampiaiky azy fa nanana andraikitra hiresaka tamin’ny hafa momba izay fantany izy. Nanapa-kevitra ny hanorina Efitrano Fanjakana iray koa i Alfred, teo am-piandrasana ny valin-taratasy avy tamin’ny Vavolombelona nanoratany. Nanorina trano tsotra iray izy tamin’ny 1998, kanefa narodan’ny mponina tao amin’ilay vohitra ilay izy. Nanorina trano faharoa izy, ary noravan’ny olona koa izy io. Ary mbola izany koa no nitranga tamin’ny trano fahatelo.

Nentin’i Alfred teo anatrehan’ny raiamandrenin’ny tanàna ilay raharaha. Novorina i Alfred sy ireo rehetra nanohitra azy. Nihaino tsara ilay raiamandrenin’ny tanàna ka namela an’i Alfred hanorina Efitrano Fanjakana iray, ary nanome azy tany faran’izay tsara teo amin’ny lalana lehibe teo amin’ny fidirana tao amin’ilay vohitra. Volontsangana sy fitaovana hafa avy tany an’ala no nampiasain’i Alfred sy i Daniel, izay niara-nianatra ny Baiboly taminy, mba hanorenana Efitrano Fanjakana vaovao iray tao anatin’ny 14 andro.

Raha vantany vao vita ilay efitrano, dia nanomboka nanao fivoriana nandinihana ireo bokikely nananany izy ireo. Nanatrika izany tsy tapaka ilay raiamandrenin’ny tanàna. Rehefa ren’ny biraon’ny sampana ny zava-nitranga, dia nisy mpisava lalana manokana nasainy hitsidika azy ireo tsy tapaka, hampianatra azy ireo ny fomba tokony hitarihana ny fianarana sy ny fomba fanampiana ny olona liana. Rehefa nitsidika an’ilay vohitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia 69 tamin’ireo mponina 400 tao no nanatrika ilay lahateniny.

Mipetraka any amin’ny faritra andrefana amin’i Kenya i Joshua sy i Susan, ary nampidirina hopitaly izy ireo noho ny lozam-pifamoivoizana lehibe iray. Namangy azy ireo ny namany mpiara-miangona taminy, ary nilaza fa tsy maintsy ho sazy avy tamin’Andriamanitra ilay loza. Efa namaky ny Baiboly mbamin’ireo gazety azony tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy mivady, ka nahafantatra fa tsy avy amin’Andriamanitra ny loza toy izany. Nilazany ireo olona namangy azy fa raha tsy nanana teny hafa fampiononana izy ireo, dia tsy tokony hiverina hamangy azy intsony. Raha vao tafavoaka ny hopitaly izy mivady, dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nanompo teny amin’ny saha izy ireo tamin’ny Novambra, ary natao batisa tamin’ny Febroary 2000. Mpisava lalana mpanampy tsy tapaka i Joshua, ary mpisava lalana mpanampy i Susan tamin’ny volana Aprily.

Mpiady nandritra ilay ady an-trano tany Liberia i Otis. Indray andro izy sy ny “namana” iray dia nankany amin’ny tany iray teny akaiky mba hivarotra fiara nangalariny. Ninia nandona an’i Otis tamin’ilay fiara anefa ilay “namany”, ka tapaka ny tongony sy ny taolan-damosiny, ary dia lasa ilay “namany”. Nanjary tapa-tongotra i Otis, ary nalemy ny tapany ambany nanomboka teo amin’ny maojany. Matetika izy no nieritreritra ny hamono tena. Niova anefa ny toe-javatra rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny mpisava lalana manokana iray ny rainy. Nalemy teo am-pandriana i Otis, kanefa reny avy tao amin’ny efitranon-drainy ny hafatra mirakitra fanantenana. Dibo-kafaliana izy nahare izany. Nangatahin’i Otis ny hanaovana ilay fianarana tao amin’ny efitranony, mba hahafahany handray anjara koa. Nanosika azy hiova ny zavatra nianarany. Niala tamin’ny sigara izy, ary niezaka nanatsara ny toetrany. Tsy velom-panahiana momba ny fahasembanany intsony i Otis ankehitriny. Mpitory ny vaovao tsara izy izao, ary mitazana foana an’izay mandalo eo akaikin’ny tranony, mba hahafahany hiresaka amin’izy ireo momba ny fanantenany. Rehefa nanontaniana izy hoe inona no nampiaiky azy fa tena nahita ny fivavahana marina ny tenany, dia nohazavainy fa izany dia ny fiahian’ny Vavolombelona azy manokana. Hoy i Otis: “Mivily kely mamangy ahy isan’andro ireo rahalahy. Nanjary nahatsiaro tena ho toy ny olona indray aho.”

Nanao famandrihana tamin’ny gazetintsika ny lehilahy iray antsoina hoe Avelino, kanefa tsy nisy Vavolombelona tao amin’ilay faritra nisy azy tany Mozambika. Natomboka tamin’ny alalan’ny fifanoratana ny fampianarana azy ny Baiboly tatỳ aoriana. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba ny zavatra vao nianarany i Avelino. Tsy ela dia nisy olona vitsivitsy niara-nivory mba hamaky lahatsoratra tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay boky hoe Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. Nanjary ren’ny rahalahy sasany ny amin’izany, ka nandeha nitory tao amin’ilay faritra izy ireo. Gaga izy ireo nahita fa nisy 30 ireo olona ireo. Nanao lahateny ampahibemaso ireo rahalahy, ary nisy 90 ny mpanatrika. Rehefa natao tao Nampula ny fivoriamben’ny distrika nanaraka, dia nisy folo tamin’ireo olona ireo tonga nanatrika izany. Nijanona tao amin’ilay tanàna ny iray tamin’izy ireo, ary nahavaky ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay iray manontolo tao anatin’ny herinandro monja. Vokatr’izany fahalianana izany, dia nifindra nankao amin’ilay faritra ny mpisava lalana maharitra roa. Manao fandrosoana tsara dia tsara ireo olona ireo.

Nahatratra tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 7 435 i Rwanda tamin’ny Jona. Mpitory 1 isaky ny 5, tamin’ny antsalany, no nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana isam-bolana, nandritra ilay taom-panompoana. Mitarika fampianarana ny Baiboly maherin’ny 12 000 izy ireo, ary nisy 30 716 ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana. Nandritra ireo efa-taona farany, dia Efitrano Fanjakana 51 no voaorina sy notokanana, ary 115 fanampiny no kasaina hatao. Na mandray anjara amin’ny fanorenana aza ireo mpitory, dia manokana 20 ora eo ho eo isam-bolana, amin’ny antsalany, hanompoana eny amin’ny saha.

Nanantena ny hifindra monina tany Kanada mba ho tonga mpitondra fivavahana pentekotista ny tovolahy iray nipetraka tany Gambia. Tetsy an-danin’izany, dia sekretera tao amin’ny Fiangonana Pentekotista teo an-toerana izy. Nanaiky hianatra tamin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? izy sy ny vadiny. Naseho azy mivady nandritra ny fianarana ny lafiny mampiavaka ny Traduction du monde nouveau, anisan’izany ny “Foto-dresaka Ara-Baiboly” any amin’ny farany. Taorian’izany, dia tsy nanao hira ara-pivavahana toy ny fanaony intsony izy mivady isa-maraina, fa nandinika foto-dresaka iray kosa, ka nijery ny andinin-teny rehetra voatonona. Rehefa nandefasan’ny fiangonana taratasy fanasana azy hianatra mandritra ny roa taona tao amin’ny seminera iray any Kanada ilay tovolahy, dia namaly hoe: “Inona intsony no ilako an’izany? Efa manana ny fahamarinana izao izahay!” Natao batisa izy mivady, rehefa avy nianatra ny Baiboly nandritra ny enim-bolana, ary marisika erỳ izy ireo ankehitriny miresaka amin’ny hafa momba ny fahamarinana mahatalanjona nianarany izay nandraisany soa be dia be.

Ireo Tanin’i Amerika

Misy kontinanta roa ao amin’ireo tanin’i Amerika, izay manomboka any amin’ny faritry ny tendrontany avaratra mamanala, ireo tany tropikaly mafana sady mando, ka hatrany amin’ny faritry ny tendrontany atsimo. Ahitana karazan-javamaniry sy karazam-biby maro kokoa noho ny any amin’ny faritra hafa na aiza na aiza eto an-tany any Amerika Atsimo. Torina amin-jotom-po any amin’ireo kontinanta roa ireo ny vaovao tsara.

Nanao tsirambina ny vady aman-janany ny lehilahy iray tany Bolivia. Nanana fahazaran-dratsy latsa-paka lalina izy, anisan’izany ny fibobohan-toaka sy ny fitsakoana ravina kôkà. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy, ary nandresy tsikelikely ny fahazaran-dratsiny. Nalahelo anefa izy fa tsy nety niara-nianatra ny Baiboly taminy mihitsy ny vadiny. Nilazany àry izy io fa nety hiala tamin’ny fianarany ny Baiboly izy, ka hiverina tamin’ny fomba fiainany taloha. Taitra ny vadiny nony nahare izany, satria tiany dia tiany tokoa izao ny toetrany. Nanontanian’ny vadiny izy hoe inona no nahakivy azy. Nohazavainy fa tsy ta hankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy raha tsy niaraka tamin’ny fianakaviany. Nanaiky hianatra ny Baiboly ilay ramatoa rehefa nahare izany. Nanatrika ny fivoriamben’ny distrika nanaovana batisa ny vadiny koa izy.

Nahazo tosika ny fitoriana teo amin’ny mponina marenina tombanana ho 1 700 000 any Brezila, nandritra ny taom-panompoana 2000. Nisy mpisava lalana manokana 18 mahay tsara ny teny baiko moana brezilianina, voatendry ho any amin’ireo tanàn-dehibe manana mponina marenina maro. Ankoatra izany, dia najoro ny ekipan’ny mpandika teny amin’ny teny baiko moana brezilianina tamin’ny Septambra 1999, ka sambany vao navoaka vidéo ny fampisehoana tantara ara-baiboly sy ireo lahateny lehibe ary ny hiran’ilay Fanjakana, tao amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Eo am-panomanana zavatra vita an-tsoratra maromaro avoaka vidéo amin’ny teny baiko moana brezilianina ny Fikambanana ankehitriny, mba hanampiana ny olona marenina hampitombo ny fankasitrahany ny fahamarinana ara-baiboly. Misy kongregasiona 16 sy groupes 87 mampiasa baiko moana manerana an’i Brezila ankehitriny.

Nianatra siansa momba ny fiaraha-monina nandritra ny efa-taona tany amin’ny oniversite i Michael, ary avy eo dia niditra tao amin’ny seminera katolika iray tao Toronto, any Kanada. Nanantena ho tonga pretra izy. Tsaroan’i Michael ny tenin’ilay eveka katolika nampianatra azy ireo tao an-dakilasy hoe misy fomba maromaro azo anatonana an’Andriamanitra amin’ny vavaka, fa tsy voatery ho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy irery ihany. Nanohitra ny tenin’ilay eveka i Michael, ka nanonona ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:6, manao hoe: “Tsy misy olona mankany any amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Namaly ilay eveka fa anjarany ny manazava ny hevitry ny Baiboly, fa tsy anjaran’ny mpianany, ary tokony hifantoka amin’ny fianaran-javatra hafa izy ireo.

Niantso an-telefaonina ny biraon’ny Sampana any Kanada i Michael, ary nangataka fanampiana ara-panahy. Naniry hianatra indroa isan-kerinandro izy, ary indraindray dia nahavita toko roa tao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, isaky ny nianatra. Niala tao amin’ilay fikambanana ara-pivavahana i Michael tatỳ aoriana, ary nahita asa birao. Nitsidika ny tranon’ny sampan’ny Fikambanana any Kanada izy tamin’ny 9 Oktobra 1999. Nisy vokany tsara teo aminy izany, satria taorian’izany izy dia tapa-kevitra ny hanatrika ny fivoriana rehetra nalamin’ny kongregasiona sy handray an-tsoratra ary hanome valin-teny efa voaomana. Natao batisa tamin’ny 19 Febroary 2000 i Michael, ary mpisava lalana maharitra izy nanomboka tamin’ny Septambra.

Nanjary kivy ny anabavy iray any Costa Rica, noho ny olana sy ny fanerena maro atrehiny. Mipetraka eo amin’ny seza misy kodiarana izy, noho ny voina nahazo azy. Taorian’ny nahafatesan’ny reniny, dia izy irery ihany no mikarakara ny rainy, izay jamba sady sembana ara-tsaina, ary koa ny zandriny vavy sy ny zandriny lahy, izay samy sembana ara-tsaina koa. Mahandro sakafo, manadio trano, manasa lamba ary mikarakara ny fianakaviany izy, sady eo amin’ny seza misy kodiarana ihany. Naniry ny handray anjara tamin’ny fomba feno araka izay azo atao tamin’ny fanompoana izy, ka nampian’ireo loholona ao amin’ny kongregasionany tamim-pitiavana hamantatra hoe inona avy no fahafahana nisokatra teo anoloany. Notolorana hevitra izy hanokana 20 ka hatramin’ny 30 minitra isan’andro, teo amin’ny sisin’ny arabe. Maro ny olona mandalo eo akaikin’ny tranony rehefa mamonjy aotobisy eo akaiky na rehefa miala ny aotobisy. Nampirisihina izy hiresaka tamin’ireny olona ireny ka hanolotra taratasy mivalona na gazety, eny, hanao fiverenana mitsidika mihitsy aza amin’ireo mandalo matetika. Izany indrindra no nataony, ka noeritreretiny tsara izao tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 1:14, 15 izao: “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.” Takatr’io anabavy io fa ananan’ny mpiara-belona aminy trosa koa ny tenany. Rehefa miresaka momba ny fanompoany izy ankehitriny, dia tsikaritra fa tena faly sy afa-po eo amin’ny fanompoany masina izy.

Niezaka hitory tamin’ny olona maro araka izay azo atao tao amin’ny faritra afovoan’ny tanànan’i Guayaquil ny mpivady misionera iray any Ekoatera. Noho ny fepetra hentitra amin’ny fiarovana anefa, dia tsy nahazo lalana hiditra tao amin’ny trano lehibe iray misy rihana maro izy ireo. Afaka nitory tamin’ny mpiasa sy mpiambina 20 teo ho eo izy ireo, ka tamin’ny alalan’ny telefaonina am-bavahady indrindra indrindra no nanaovany izany. Na izany aza, dia tsy niresaka tamin’ireo olona nipetraka tao amin’ilay trano izy ireo. Koa nanapa-kevitra ny hiresaka tamin’ny tale nitantana ilay trano izy ireo. Nohazavain’ireo misionera fa ny hanamafy ny toetra tsara sy ny fitsipika andrianin’ny fianakaviana eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy no zava-kendren’izy ireo. Hoy ilay tale: “Heveriko fa tokony hihaino an’izany ny rehetra!” Nasainy nanoratra izao hafatra manaraka izao ny sekreterany nony avy eo, ary nasainy nametaka izany teo amin’ny tabilaon’ny filazana: “Hitsidika ireo trano ato amin’ity toerana ity Rtoa Gabi März amin’ny alahady tolakandro, hanolotra fampianarana natao hanatsarana ny toetra sy ny fitsipi-pitondran-tena. Raha tsy mety amin’ny sasany ny handray azy, dia iangaviana izy ireo hilaza amiko. Tale.”

Tao amin’ny trano teny an-tampony no nanombohan’ireo misionera, ary nanomboka fampianarana ny Baiboly tamin’ny mpanara-maso tao amin’ny sekoly iray izy ireo. Nanomboka fampianarana telo izy ireo tao amin’ny rihana nanaraka. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny fianakaviana iray, ary nitsidika ny biraon’ny sampana tatỳ aoriana. Nanomboka fampianarana ny Baiboly 16, tamin’ny fitambarany, ireo misionera, tao amin’io trano voaro mafy io, izay mbola tsy nitoriana mihitsy teo aloha.

Mpisava lalana maharitra i Jessica, 15 taona, izay mipetraka any Peroa, ary izy no hany Vavolombelona ao amin’ny fianakaviany. Efa tonta be ny kiraro nentiny nanompo teny amin’ny saha, koa nangataka kiraro vaovao tamin-drainy izy. Nibetroka azy ny rainy hoe: “Aoka i Jehovah no hanome kiraro anao!” Nandeha nanompo ilay anabavy, nanao ny kirarony efa tonta, kanefa nony nody izy, dia nandalo teo anoloan’ny tranon’ny rahalahy iray mpanao kiraro. Nasain’ilay rahalahy niditra izy ary nilazany hoe: “Avia kely ange ianao e! Nisy zavatra nataoko ho anao androany!” Nomeny kiraro vaovao izy. Gaga ny rainy nahita azy nanao kiraro vaovao, ka nanontany azy hoe taiza no nahazoany izany. Hoy i Jessica: “I Jehovah no nanome ahy ireto!”

Mitatra hatrany ny saha miteny vahiny any Etazonia. Mpitory maherin’ny 16 000 no manompo eo amin’io saha io, ka mampiasa fiteny 31 ankoatra ny teny anglisy sy espaniola. Nandritra ny taom-panompoana 2000, dia niforona ny kongregasiona vaovao 11 miteny vahiny, anisan’izany ny kongregasiona voalohany amin’ny teny kambodjianina sy amin’ny teny hmong any Etazonia.

Azia

Io kontinanta io no kontinanta lehibe indrindra eran-tany, ary hita ao ny karazana toetany sy zavamaniry maro samihafa, manomboka any amin’ny tendrontany ka hatrany amin’ny faritra tropikaly. Any Azia no misy an’ireo faritra avon’i Tibet, izay ahitana ny tendrombohitra avo indrindra eran-tany. Olona maro sesehena no mbola tsy nandre ny vaovao tsara any Azia, kanefa be koa ny asa atao ankehitriny mba hitoriana amin’ny olona maro araka izay azo atao. Ampidirinay eto koa ny fitantarana avy any amin’ireo nosin’i Japon sy i Taïwan, satria mifandray akaiky amin’ny kontinantan’i Azia izy ireo.

Tany Bangladesy, dia nisy 140 nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” tao Dacca renivohitra. Niezaka nanadio ny efitrano malalaka fivoriana ireo rahalahy, ary avy eo nandravaka voninkazo ny sehatra, izay nanjary tsara tarehy tokoa. Nilaza toy izao ny mpiasa iray tao amin’ilay efitrano: “Hatramin’izay 14 taona niasako tato amin’ity toerana ity izay, dia mbola tsy nahita mihitsy olona voalamina sy madio toa anareo aho. Nataonareo madio sy masina ity toerana ity.”

Fandaharana feno fitiavana nataon’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ny manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ho fampiharana izany, dia natao ny fandaharana mba hanorenana na hanavaozana Efitrano Fanjakana 250 any Inde. Nentanin’io fandaharana io ny rahalahy eo an-toerana hanohana araka izay azony atao. Nanome sombin-tany nirefy efa ho 420 metatra toradroa mba hanorenana Efitrano Fanjakana ny rahalahy zokiolona iray. Hitan’ireo rahalahy nijery an’ilay tany anefa fa tsy tsara hanorenana ilay izy, satria ho safotry ny rano amin’ny fotoan’ny orana. Rehefa nilazana izany ilay rahalahy zokiolona, dia nasehony an’ireo rahalahy ny taniny rehetra, ary nasainy hifantina izay toerana tsara indrindra hanorenana Efitrano Fanjakana izy ireo. Hoy izy: “Iriko ny hahita Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray eto amin’ity toerana ity, alohan’ny hahafatesako, ary vonona hanome ny zava-drehetra ananako aho, mba hahatanteraka izany.”

Mipetraka any Séoul, any Korea, i Kim Hyo-sook, ary tsy nahita fifaliana na fahombiazana firy izy tamin’ny naha mpisava lalana azy. Koa notoloran’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray hevitra izy mba hanana ny faritaniny manokana. Hoy izy: “Narahiko ilay torohevitra, ary tsy ela aho dia nifankahalala tsara sy nifankazatra tamin’ireo tompon-trano tao amin’ny faritaniko. Nampifanarahiko tamin’izay fotoana nety tamin’izy ireo ny fotoana nitsidihako. Ho vokany, dia nitombo ny isan’ny fiverenana mitsidika 35 nataoko isam-bolana ka tafakatra ho 80 mahery, ary manana fampianarana ny Baiboly fito aho. Tena mahita fifaliana aho ankehitriny.”

Mipetraka any Israely i Sam, ary izy no hany Vavolombelona ao amin’ny sekoly ianarany. Izy irery ihany koa no mpianatra tao an-dakilasiny izay tsy nety nandray mialoha ny laza adina nangalarina. Taorian’ilay fanadinana, dia fantatry ny talen’ilay sekoly fa nifraody ny rehetra tao amin’ilay kilasy, afa-tsy i Sam. Nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ilay fitsapam-pahaizana i Sam. Nanome fanambarana tsara dia tsara ho an’ireo mpianatra katolika sy silamo nifangaro, ary koa ho an’ireo mpampianatra, iny zava-nitranga iny.

Niomana ny handeha fiarandalamby haingam-pandeha mba hitsidika ny zanany lahy ny anabavy iray 83 taona any Japon. Nanangona ny gazety faramparany ho an-janany izy, ary tamin’izay no tsaroany fa nanana gazety maro tsy voapetrany izy, ka nataony tao anaty kitapony koa ireny. Nomarihiny fa tsy nanan-katao ny mpandeha tamin’ny dia lavitra, ary nanontany tena izy raha afaka nametraka gazety sasany tao amin’ny fiarandalamby. Rehefa teny an-dalana, dia nanontany azy ilay rangahy nipetraka teo anilany hoe inona no zavatra novakiny izay nahavariana azy erỳ. Faly ilay rangahy nandray gazety, ary liana izy namaky izany. Rehefa nahita izany ny mpandeha hafa maromaro, dia nangataka gazety hovakiny koa. Rehefa tonga tany amin’izay nalehany ilay anabavy ka hitany fa mbola tsy tonga hitsena azy ny zanany lahy, dia nitory tamin’ny olona niandry fiarandalamby izy. Nahapetraka gazety 40 izy mandra-pahatongan’ilay zanany, ary tsy nisy gazety tavela ho azy io intsony!

Ny Bodisma no fivavahana nentim-paharazana hatramin’ny ela any Mongolia, kanefa olona maro any no tsy mino an’Andriamanitra. Nomanina ho an’io tany io ny taratasy mivalona iray misy efatra pejy mitondra ny lohateny hoe Manao Ahoana ny Hasarobidin’ny Fiainana Aminao? (anglisy). Velabelarin’io taratasy mivalona io ny amin’ireo loza entin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky — foto-kevitra tena mahaliana ny besinimaro. Natao ny ezaka manokana hampielezana an’ilay izy tamin’ny Novambra sy Desambra 1999, ka nandray anjara tamin’izany ireo mpitory rehetra nisy 22. Vitsy dia vitsy no tsy nandray an’ilay taratasy mivalona. Efa ho 10 000 ny isan’ny taratasy mivalona voazara tao Ulan Bator renivohitra, tao anatin’ny folo andro voalohany. Manam-pahefana maro tao amin’ny fitondrana no nilaza ny fankasitrahany an’ilay ezaka manokana. Noresahina imbetsaka tao amin’ny televiziona sy ny radio ary ny lahatsoratra navoakan’ny gazety telo io ezaka manokana io. Nisy fampianarana ny Baiboly maromaro natomboka.

Tonga hatrany amin’ny toerana faran’izay lavitra ny fahamarinana. Misy toby fanasaziana manana voafonja maherin’ny 1 000 any Kazakhstan. Nitsidika ny lehiben’ilay toby ny Vavolombelon’i Jehovah roa tamin’ny 1997, ka nangataka lalana ny hiresaka momba ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny voafonja sasany, izay nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelona teo an-toerana. Nanomboka nampianatra voafonja 20 ny Vavolombelon’i Jehovah, taoriana kelin’izay. Tonga mpitory tsy vita batisa ny efatra tamin’izy ireo tamin’ny 1998, ary nahazo lalana hanao fivorian’ny kongregasiona. Hitan’ireo mpitantana fa nisy heriny tsara teo amin’ireo voafonja ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nomeny lalana handefa lahateny ampahibemaso tao amin’ny radion’ny fonja ireo mpitory. Manana fahafahana handre an’ireny lahateny amin’ny radio ireny ny voafonja rehetra ankehitriny.

Vao mainka niaiky bebe kokoa ireo mpitantana ao amin’ilay toby fa tsy zavatra isalorana fotsiny araka izay tiana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka izay hitan’izy ireo avy tamin’ny zava-nitranga iray. Tsy mahazo lalana hanam-bola ireo voafonja, satria saika ny zava-drehetra no azo vidina, anisan’izany ny zava-mahadomelina. Nahazo vola tsy tapaka tao amin’ny fonosan’entana nalefa tany aminy anefa ny voafonja iray. Nanomboka nanenjika azy ny feon’ny fieritreretany voataiza araka ny Baiboly, rehefa nandroso ara-panahy izy. Nomeny vola mba hatao fanomezana ho an’ny asan’ilay Fanjakana ilay loholona nitsidika azy tao amin’ilay toby, indray andro. Tsy nety nandray izany anefa ilay loholona, satria fantany fa nandika ny fitsipika tao amin’ilay fonja ny fitondrana vola mivoaka. Hoy fotsiny ilay loholona tamin’ilay tovolahy: “Ataovy izay asain’ny feon’ny fieritreretanao hatao amin’ilay vola.” Nankany amin’ny lehiben’ny mpiambina ilay voafonja, ka nametraka ilay vola teo ambonin’ny biraony, ary hoy izy: “Tsy mamela ahy hitahiry ity vola ity ato ny feon’ny fieritreretako voataiza araka ny Baiboly, koa ampiasao amin’izay tianareo hampiasana azy izy ity.” Gaga be ilay mpiambina, ka niaiky volana hoe: “Hatramin’izay 20 taona niasako tato amin’ity toby ity izay, dia mbola tsy nahita mihitsy olona nanome an-tsitrapo ny volany aho!”

Nampianatra tao amin’ny sekoly iray any Malezia ny anabavy iray. Niresaka tamin’ny vehivavy iray mpiara-miasa taminy momba an’i Jehovah sy ny fampanantenany izy indray andro. Nilaza ilay mpiara-miasa taminy fa kivy be izy satria tsy nampian’ireo andriamanitra nivavahany izy mba hamaha ireo olana nahazo azy. Nivavaka tamin’i Bouddha, tamin’andriamanitra sinoa maro samihafa, ary tamin’i Jesosy Kristy mihitsy aza izy. Toa tsy hita izay fanampiana.

Nampijalin’ny demonia andro aman’alina ilay ramatoa. Tsy nahita tory firy izy tamin’ny alina. Nanelingelina azy tany am-piasana ireo fanahy ratsy tamin’ny antoandro, ka tsy afaka nanao tsara ny asany izy. Nangidy tokoa ny fahoriany, ka nanatona mpanelanelana amin’ny fanahy izy, kanefa vao mainka niharatsy ny toe-javatra.

Nilaza tamin’ilay mpiara-miasa taminy ilay anabavy fa “ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy”, araka ny Ohabolana 18:10. Miaro an’ireo miantso ny anarany amim-pinoana i Jehovah. Nampirisihin’ilay anabavy hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra izy, rehefa nanelingelina azy indray ireo demonia.

Ny ampitson’iny ihany, dia nilaza tamin’ilay anabavy ilay mpiara-miasa taminy fa niantso an’i Jehovah izy mba hanampy azy, ary dia niala ireo demonia. Natomboka ny fampianarana ny Baiboly an’ilay ramatoa, ary nanao fandrosoana haingana izy. Nariany avokoa ny zava-drehetra nifandray tamin’ny fanompoam-pivavahan-diso, ary tsy nanelingelina azy intsony ireo demonia. Natao batisa izy tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray vao haingana.

Efa hatramin’ny 50 taona teo ho eo izao, dia nigadra naharitra ela tany am-ponja ny tovolahy Vavolombelona any Taïwan, satria tapa-kevitra ny tsy hiala amin’ny fialanalanany kristianina. Nisy fiovan-javatra lehibe nitranga anefa tato anatin’ireo taona faramparany. Maro ny lehilahy voantso ho miaramila ka tsy araky ny tafika ny nampiofana tsara azy ireny. Koa notapahin’ny fanjakana ny hevitra fa hahitsy ny lalàna momba ny fanompoam-pirenena, ka halefa hanao fanompoana tsy mifandray amin’ny raharaha miaramila ny sasany amin’ireo voantso ho miaramila. Naka hevitra avy tamin’izay efa natao tany amin’ny tany hafa ireo manam-pahefana, mba hanisiana fiheverana an’ireo olona tsy manaiky hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy maintsy mameno taratasy fangatahana ny hanao asa tsy mifandray amin’ny raharaha miaramila mandritra ny fotoana feran’ny fanjakana ireo olona ireo, raha izany no tiany kokoa noho ny higadra any am-ponja. Araka io fandaharana vaovao io, ireo manao io karazana fanompoana tsy mifandray amin’ny raharaha miaramila mandritra ny 33 volana io, dia hanam-potoana malalaka mandritra ny faran’ny herinandro ary toa hanam-potoana malalaka koa mandritra ny ankamaroan’ny takariva, ka ho afaka handray anjara amin’ny asa ara-panahy.

Eoropa

Nosokajina hatramin’ny ela ho kontinanta i Eoropa, kanefa tapany goavana amin’i Eorazia mandroso miankandrefana izy io, raha ny marina. Nitondra ny vaovao tsara tany amin’ny faritra atsimo tany Eoropa ny apostoly Paoly, efa ho 2 000 taona lasa izay. Ho hitanareo fa mandroso hatrany ny fitoriana ny hafatra mafonjan’ny fahamarinana, any amin’io tany io.

Nipetraka teo amin’ny zaridainam-panjakana iray tao Zagreb, any Kroasia, ny anabavy iray, indray andro. Nahamarika tovolahy iray niafina tao ambadiky ny hazo madinika izy. Hatsatra sady nipararetra ilay tovolahy, ka noheverin’ilay anabavy ho narary. Nohatoniny izy, ka nilazany hoe: “Ramose a, vonona ny hitondra anao any amin’ny dokotera aho raha tsy metimety ianao.” Nilaza ilay tovolahy fa tsy naninona izy, nefa mbola nangovitra ihany izy. Nanontanian’ilay anabavy indray izy hoe: “Noana ve ianao? Hakako sakafo ve ianao?” “Tsia”, hoy ilay tovolahy. “Aza manakaiky ahy ianao, fa tadiavin’ny polisy aho, ka mety hahiahiny ho miaraka isika.” Nanontanian’ilay anabavy izy hoe: “Fa inona no nataonao?” Nibaboka ilay tovolahy fa nangalatra tao amin’ny fivarotana iray izy, ary hoy koa izy: “Ato anaty paosiko ato daholo ilay izy. Matahotra mafy ny polisy sy ny hogadraina aho.” Nalahelo azy ilay anabavy ka naniry hanampy azy. Nasainy nipetraka teo anilany ilay tovolahy mba hiresahan’izy ireo momba ilay raharaha. Nilazany izy fa homen’i Jehovah Andriamanitra azy ny fahendrena nilainy mba hahafantarany izay tokony holazaina rehefa niverina tany amin’ilay fivarotana nangalarany izy. Nihaino tsara ilay tovolahy, kanefa mbola nangovitra noho ny tahotra ihany. Nomen’ilay anabavy torohevitra izy hoe: “Manatòna ny tale, ary tsory aminy fa nangalatra ilay vola ianao ka maniry hamerina ilay izy izao.” Raha mbola niresaka teo izy ireo, dia nandalo ny mpiara-monina iray tamin’ilay anabavy, niarahaba azy tamin’ny anarany. Tamin’izany fomba izany no nahafantaran’ilay tovolahy ny anarany.

Fotoana fohy taorian’izay, dia gaga ilay anabavy nahita taratasy iray nalefa ho azy, voasoratra tao amin’ny gazety teo an-toerana. Izao no vakin’ilay taratasy: “Ho an-dRamatoa Barica. Velom-pankasitrahana tokoa aho noho ny torohevitra nomenao tamin-katsaram-panahy. Misaotra anao eram-po eran-tsaina aho, fa namonjy ahy tsy higadra ianao. Tsy afaka misaotra anao mivantana aho, satria tsy fantatro ny adiresinao. Ny antony anoratako aminao anefa dia izao: Mety hisy olona maro ho ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izay nanjo ahy, ka tiako ny hamakiany an’ity taratasy ity ka hitodihany any amin’ilay Andriamanitra tena manampy, dia i Jehovah! Naveriko ilay vola. Nilaza ilay tale fa 1 500 kunas ilay vola nangalarina. Ny vola navoakako avy tao anaty paosiko anefa dia 1 700 kunas. Nilaza izy fa azoko notazonina ny 200 kunas, satria 1 500 kunas monja no banga. Hoy ny navaliko azy: ‘Tsia, tompoko, fa tsy nanana na dia kuna iray aza aho tao am-paosiko, eny, fa na dia ny hividianana mofo aza.’ Avy eo ilay tale dia nanomboka nanome zavatra ho ahy. Hoy izy: ‘Anao ireo 200 kunas ireo.’ Ankoatra izany, dia nomeny 500 kunas, mofo dipaina roa, ronono roa boaty, yaorta dimy, saosisy maina antsasa-kilao, ary sakafon-jazakely, aho. Hoy izy: ‘Matoa aho manao an’izao, dia satria olona manao ny marina ianao, ary niaiky ny fahadisoanao.’ Ny hany azoko atao dia ny misaotra an’Andriamanitra sy misaotra anao fa tsy nigadra aho. Mbola mamerina ny fisaorana mitafotafo aho.”

Manana seranana anisan’ny lehibe any Eoropa i Copenhague, any Danemark. Ankoatra ireo baka, dia misy sambo maherin’ny 2 000 miantsona ao isan-taona. Niditra tao amin’ny sambo iray ireo rahalahy, ary nanontany ny tantsambo sasany raha nahafantatra Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Eny, hoy ny navalin’izy ireo, sady nolazainy koa fa nisy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza tao amin’ilay sambo. Naniry hihaona tamin’ilay mpiray finoana taminy ireo rahalahy. Rehefa nihaona izy ireo, dia hitany fa, hay, mbola tsy vita batisa izy io. Avy any amin’ny nosy kely iray any amin’ny Oseana Pasifika nisy mponina 2 000 monja ilay rangahy. Tsy nisy Vavolombelona teo amin’ilay nosy, kanefa nianatra ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra azony tany amin’ny seranana maromaro eran-tany izy. Novakiny ireo zavatra vita an-tsoratra, ary nentiny nody tany amin’ny vadiny koa. Samy niaiky izy mivady fa nahita ny fahamarinana. Dodona erỳ izy ny hitory tamin’ny tantsambo hafa momba ny zavatra nianarany. Nahazo famandrihana tamin’ny gazetintsika izy, ary nampanantena ireo rahalahy fa hampahafantatra amin’ny kongregasiona akaiky indrindra azy momba azy mivady.

Mandeha tsy tapaka mankeny an-tseranana ny mpitory ao Bremerhaven, any Alemaina, mba hanolotra zavatra vita an-tsoratra ho an’ireo miasa ao amin’ny sambo sy ho an’ireo mpamily kamiao mampiditra na manala entana avy ao anaty kamiaony. Nitantara ny rahalahy iray fa nihaona tamin’ny mpamily kamiao avy tany amin’ny firenena 48 izy. “Mitahiry zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 39 ao anaty fiaranay izahay, mba hanomezana izay ilain’ireny olona rehetra ireny”, hoy ny fanazavany. Nisy mpamily kamiao rosianina maromaro nanatrika fivoriana fony tao amin’ilay seranana. Indray alahady tolakandro, dia nahamarika sambo iray anisan’ny lehibe indrindra eran-tany amin’ny mpitondra mpandeha, niantsona tao amin’ny toerana fanamboarana sambo simba, i Fred sy i Christian. Avy tamin’ny firenena 50 ireo mpiasa 950 tao amin’ilay sambo! Rehefa tafakatra tao amin’ilay sambo ireo rahalahy, dia nohatonin’ny tantsambo iray avy any amin’ny nosin’i Pasifika, izay nanontany hoe: “Manana ilay boky mavomavo misy sary miloko ve ianareo?” Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly no tiany horesahina. Tsy nanana ilay izy ireo rahalahy, ka hita soritra teny amin’ny endriny fa diso fanantenana izy. Koa rehefa avy nahapetraka ny zavatra vita an-tsoratra rehetra nentiny i Fred, dia nandeha fiarakodia nankany amin’ny Betela any Selters — dia nandroso sy niverina naharitra adiny folo, fara fahakeliny — mba hakana zavatra vita an-tsoratra fanampiny. Nahapetraka gazety 900 sy bokikely 300 ary boky 850 tamin’ireo tantsambo izy ireo, ny ampitson’iny! Hitan’i Fred koa ilay tantsambo sariaka, ary nomeny azy ilay boky mavo notadiaviny. “Rehefa fantany fa nandeha maherin’ny 1 000 kilaometatra tamin’ny fiarakodia izahay mba hakana an’ilay boky”, hoy ny fanazavan’i Fred, “dia nanganohano ny ranomasony.”

Nanao fanadihadiana an-telefaonina tamin’ny mpihaino azy ny mpiteny amin’ny radio kely iray tsy miankina amin’ny fanjakana, any Luxembourg, teo am-piandohan’ny taona 1998, ka nanontany azy ireo momba ny zava-kendreny sy ny zavatra antenainy eo amin’ny fiainana. Nofidina kisendrasendra ny nomeraon’ny telefaonina. Teo am-piantsoana nomerao iray, dia nampifangaro ny nomeraom-paritra ilay mpiteny amin’ny radio, ka tafaresaka tamin’ny vehivavy iray tany amin’ny 400 kilaometatra, tany akaikin’i Nuremberg, any Alemaina. Nampiaiky volana an’ilay rangahy ny fahalalana ankapobe nananan’ilay ramatoa sy ny fijereny ny lafy tsaran-javatra eo amin’ny fiainana, ka nanontaniany izy hoe ahoana no nahatonga azy hanana fomba fijery tsara toy izany. Nampahafantarin’ilay ramatoa azy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany, satria takany fa fahafahana tsy nampoizina nisokatra teo anoloany mba hamafazana ny voan’ilay Fanjakana izany. Nanaitra ny fahalianan’ilay mpanadinadina ilay resaka, ary nanaiky hiantso azy an-telefaonina tatỳ aoriana ilay anabavy. Niantso azy imbetsaka ilay anabavy, nandritra ny roa volana nanaraka. Nohazavainy bebe kokoa ny momba an’Andriamanitra sy ny fiainana ary ny Vavolombelon’i Jehovah, ary afaka namaly fanontaniana maro izy. Taitra ny fahalianan’ilay mpiteny amin’ny radio, ka naniry hahafantatra misimisy kokoa izy. Niantso an-telefaonina ny kongregasiona iray tao Luxembourg izy, ary nangataka ny hampianarina ny Baiboly, sady nanontany momba ny fivoriana. Nampiaiky volana azy ny rivo-piainana nanjakan’ny fitiavana sy ny fandraisana azy an-tanan-droa, tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsara fiaingana tokoa ny fianarany ny Baiboly tany an-tokantrano.

Natao batisa izy rehefa afaka herintaona sy iray volana taorian’ilay niantsoany an-telefaonina voalohany an’ilay anabavy tany Alemaina. Tonga mpisava lalana maharitra izy tamin’ny Oktobra 1999. Tena nety tokoa ny nampahafantaran’ilay anabavy alemà fa Vavolombelona ny tenany, ka nanararaotany an’ilay fahafahana hamafy voan’ilay Fanjakana.

Nankafizin’i Antonio, izay mipetraka any Portogaly, ny resadresaka nifanaovany tamin’ny rahalahiny izay Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tonga namangy azy izy io, ary nanaitra ny fahalianan’i Antonio tamin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly izany. Naniry mafy ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny Baiboly i Antonio. Nivavaka mafy mba hahazo fanampiana izy. Tsy ela taorian’izay, dia nandondòna tao am-baravarany ny Vavolombelona roa, ka nanomboka nampianatra azy ny Baiboly. Nanomboka nanao fiovana teo amin’ny fiainany hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra i Antonio, arakaraka ny nitomboan’ny fahalalany. Voalohany, ny feon’ny fieritreretany dia nanosika azy hiala tamin’ny fihazana, izay spaoro tena tiany tokoa. Takany tatỳ aoriana ny raharaha momba ny fialanalanana kristianina, koa nanapa-kevitra ny hiala tsy ho ben’ny tanàna intsony izy, na dia toerana nohajain’ny olona fatratra sady notanany nandritra ny 15 taona aza izany. Niharan’ny fanerena hiova hevitra momba ilay fialany izy, kanefa nanome hery azy tsy hanaiky izany ny torohevitra ao amin’ny Jakoba 4:4. Nanao fandrosoana haingana izy sy ny vadiny rehefa nanamafy ny fifandraisany tamin’i Jehovah sy nanomboka nanatrika ny fivorian’ny kongregasiona. Tsy ela izy mivady dia nandray anjara tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ary natao batisa.

Avy any Espaina kosa ny fitantarana ny zava-nitranga tamin’ny rahalahy iray, taona maro lasa izay. Nanorisory azy tsy an-kijanona ny lehilahy iray mpiara-miasa taminy, izay naneso sy nanakiana ny fivavahan’ilay rahalahy nandritra ny volana maro. Tsy zakan’ilay rahalahy intsony ilay izy tamin’ny farany, koa nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy hiaritra an’ilay toe-javatra sarotra toy ny nataon’i Kristy, ka tsy hamaly ratsy ny ratsy. Gaga ilay rahalahy fa niova ny fihetsik’ilay mpiara-miasa taminy. Niala tsiny mihitsy aza izy, ary nanome toky an’ilay rahalahy fa tsy hanaratsy an’Andriamanitra eo imasony intsony. Niala tao amin’ilay kompania ilay mpiara-miasa taminy, taoriana kelin’izay.

Rehefa afaka 24 taona vao nihaona indray tamin’ilay mpiara-miasa taminy taloha ilay rahalahy. Tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray nanendrena an’ilay rahalahy hanao lahateny no nihaonan’izy ireo tamin’io fotoana io. Nilaza ilay mpiara-miasa taminy fa nianatra ny Baiboly izy ary tonga Vavolombelona vita batisa. Nohazavainy koa fa na dia taona maro aza no lasa, dia tsy hadinony mihitsy “ilay Vavolombelona izay niaritra tamim-paharetana ny fanesoana azy sy ny Andriamaniny tsy an-kijanona”.

Ireo Nosin’ny Tany

Samy hafa avokoa ny haben’ireo nosin’ny tany, kanefa tsy mitovy amin’ny kontinanta, izay lehibe lavitra, izy ireny. Voaresaka eto koa ny nosy kontinanta Aostralia, kanefa ny nosy lehibe indrindra dia i Groenlandy, izay manana velaran-tany mirefy 2 200 000 kilaometatra toradroa. Kely noho ny faritanàna iray ny velaran’ny nosy kely indrindra. Mbola misy koa nosy an’arivony maro hafa. Vakio ny fitantarana vitsivitsy avy any amin’izy ireny.

Nihaona tamin’ny vehivavy iray izay toa tsy liana firy tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny anabavy iray, rehefa nitory isan-trano tany Aostralia. Nandray taratasy mivalona ilay vehivavy, kanefa nihevitra ilay anabavy fa tsy hitondra vokany firy ny fiverenana nitsidika azy. Na izany aza, dia nikiry ihany ilay anabavy, kanefa tsy nahita an’ilay ramatoa tao an-tranony tamin’ny voalohany. Rehefa nahita azy indray ilay anabavy tamin’ny farany, dia nohazavain’ilay ramatoa fa nividy Baiboly lafo vidy izy, taorian’ilay fitsidihana voalohany. Nanomboka nampianatra azy ny Baiboly ilay anabavy. Manao fiovana lehibe eo amin’ny fiainany ilay ramatoa ankehitriny mba hampifanarahana izany amin’ny foto-pitsipika kristianina, ary manatrika ny fivoriana rehetra izy.

Nihaona tamin’ny vehivavy iray tokony ho 60 taona ny rahalahy iray, fony nitory isan-trano, tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Rehefa vita ny resaka, dia nanolotra ny tanany mba hanao veloma ilay rahalahy. Tsy nanolotra ny tanany anefa ilay ramatoa tompon-trano, ka takatr’ilay rahalahy fa jamba izy io. Nampanantena ny hiverina hitsidika azy ilay rahalahy.

Rehefa niverina izy, dia niteny taminy ilay ramatoa fa gaga izy, araka ny nolazainy tamin’ny zanany vavy, fa nisy olona naneho fiheverana azy, na dia jamba aza izy. Nohazavainy avy eo fa nilazana izy fa tsy nantenaina hahita intsony izy. Noresahin’ilay rahalahy taminy ny amin’ilay Andriamanitry ny fanantenana, ary namakiany fitantarana sasany ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fomba nampahiratan’i Jesosy ny jamba izy. (Matio 9:27-30). Nanohina lalina ny fon’ilay ramatoa izany.

Namotopototra tao amin’ny Fikambanana Mikarakara ny Jamba ilay rahalahy avy eo sao nisy zavatra azo natao ho an’ilay ramatoa. Nalamina ny hihaonany tamin’ny dokotera, ary rehefa niditra tao ilay ramatoa, dia nilazana fa nety hahita indray izy raha nodidiana. Nahomby ilay fandidiana. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nanohy nianatra ny Baiboly izy. Nanomboka namaky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly izy taorian’ilay fandidiana, ary nahavaky azy io tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Nianatra an’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy nony avy eo. Nanatrika fivoriana tsy tapaka izy talohan’ilay fandidiana, ary tsy manapaka fivoriana mihitsy izy amin’izao efa mahita indray izao. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba ny zavatra nianarany sy ny fanampiana azony mba hahitany indray izy. Natao batisa izy tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1999.

Tany amin’ny nosy La Réunion, dia notoloran’ny anabavy iray gazety ny vehivavy iray nitoriany. Hoy ilay ramatoa: “Tsisy ilako an’ity fa izaho ange tsy mahay mamaky teny e!” Nanolo-kevitra ny hampianatra azy hamaky teny ilay anabavy, ary nanaiky tamim-pifaliana ilay ramatoa. Niverina nitsidika azy ilay anabavy, nitondra ilay bokikely hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra sy ilay hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Natao antsasak’adiny ny fianarana namaky teny, ary antsasak’adiny koa ny fianarana ny Baiboly. Nanao fandrosoana haingana tamin’ny famakian-teny sy tamin’ny fahatakarana ny fahamarinana ilay ramatoa.

Niezaka nanakivy azy tsy hianatra ny zanany, kanefa nilazany izy ireo fa hianatra foana izy. Tsy ela izy dia nianatra tamin’ny boky Fahalalana, ary nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka izy. Natao batisa vao haingana izy. Mahay taratasy izy ankehitriny, afaka mamaky ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly.

Nanomboka nampianatra ny Baiboly ny tovovavy iray antsoina hoe Hina, eo amin’ny Nosy Avaratra any Nouvelle-Zélande, ny anabavy iray. Rehefa avy nianatra indroa tamin’ny bokikely Takina i Hina, dia nilaza tamin’ilay anabavy fa naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy ka hisaraka tamin’ilay ankizilahy niarahany, izay anisan’ny mpitarika tao amin’ny andian-jiolahy iray teo an-toerana. Nisikina herim-po izy ka nifanatri-tava tamin’ilay ankizilahy mba hilaza taminy ny fikasany. Gaga ilay tovovavy rehefa niteny izy hoe: “Ataovy izay tianao hatao.”

Niova hevitra anefa ilay tovolahy tatỳ aoriana, ka nikasa ny hamaly faty, tsy tamin’i Hina ihany, fa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa. Nanapa-kevitra ny hanao tifitra variraraka tamin’ny Efitrano Fanjakana izy. Nanolo-kevitra anefa ny namany iray taloha fa tokony hanatrika fivoriana iray aloha ilay tovolahy, ka hamotopototra momba ny Vavolombelona, vao hanao zavatra toy izany. Nanaiky ilay tovolahy, ka nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izy ny harivan’iny. Nampiaiky volana azy ilay fivoriana, hany ka namory an’ilay andian-jiolahy izy, ary nilaza tamin’izy ireo fa naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy izao! Tatỳ aoriana, tamin’ny fivoriana fanaon’ilay andian-jiolahy tao amin’ny fasana iray, dia naleviny ny fehin-tsandriny (famantarana ny maha anisan’ilay andian-jiolahy azy), ka nasehony tamin’izany fa naleviny ny fomba fiainany taloha, anisan’izany ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotana toaka an-tsokosoko. Manatrika fivoriana tsy tapaka izy sy i Hina. Mpivady ara-dalàna izy roa ankehitriny, ary natao batisa vao haingana i Hina. Tapa-kevitra ny hameno fepetra ho amin’ny batisa koa ilay vadiny.

Nanomboka ezaka manokana fanelezana ny Mifohaza! 8 sy 22 Febroary 2000 (frantsay) ny sampan’i Trinité. Nanasongadina lahatsoratra nifampitohitohy momba ny fianakaviana tsy misy ray ilay nomerao voalohany, ary momba ny famonoan-tena kosa ilay faharoa. Ny antokon’olona nokendrena hanelezana an’ireo gazety dia ny fikambanana manao asa sosialy, ny polisim-bohitra, ny sekoly, ny minisitra ao amin’ny governemanta, ny ao amin’ny Parlemanta, ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, ary ny hafa izay ho liana tokoa amin’ireo foto-kevitra novelabelarina.

Nasehon’ny tatitra mbola tsy feno fa nisy gazety 14 941 sy boky 1 374 ary bokikely 90 voapetraka. Nahazoana fiverenana mitsidika 860 sy fampianarana Baiboly 29 ilay ezaka manokana, ka ny ankamaroan’ireo olona ireo dia nety ho tsy hita tamin’ny fomba fitory mahazatra. Nandefa taratasy fankasitrahana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny maromaro tamin’ny minisitra sy ny minisiteram-panjakana. Mampiseho tsara izany ny avy tany amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Hoy ilay taratasy: “Misaotra anareo noho ireo (...) gazety Mifohaza! nomenareo (...). Tena ahafantaran-javatra be dia be izy ireny. Ho faly àry izahay raha afaka manome anay enina fanampiny ianareo mba hozaraina any amin’ny sampan-draharaha samihafa ato amin’ny Minisitera. Afa-tsy izany koa, raha manana boky mety hanampy anay eo amin’ny ezaka ataonay ho an’ny fiainam-pianakaviana ianareo, dia hankasitrahany ny fandefasanareo izany.” Ny minisitry ny fitsarana mihitsy no nanao sonia an’ilay taratasy.