Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

NANDRITRA ny taona 2000, dia narantirantin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany tsara tao amin’ny Efitrano Fanjakanany izao andinin-teny izao: “Isika tsy mba naman’izay mihemotra (...), fa naman’izay mino”. (Heb. 10:39). Mampiavaka tsara ny toe-tsaina asehon’izy ireo maneran-tany eo am-panohizany ny fanompoany, ny zavatra voalazan’io andinin-teny io. Marina fa sarotra amin’ny sasany ny miresaka amin’ny olona tsy fantany; mety ho somary sakodiavatra izy ireo ao anatin’ny tarehin-javatra sasany. Manohy mankatò ny didin’i Jehovah anefa izy ireo, noho ny finoana azy.

Asehon’ny tatitra maneran-tany eo amin’ny pejy faha-31 ny zava-nisongadina vitsivitsy tamin’izay notontosain’izy ireo noho ny fitahian’i Jehovah, nandritra ilay taom-panompoana nifarana tamin’ny 31 Aogositra. Ahitanao tsipiriany fanampiny eo amin’ny tabilao eo amin’ny pejy faha-32-39. Ankoatra izany, dia tsy maintsy asiana firesahana manokana ireo fivoriamben’ny distrika.

Fivoriamben’ny distrika ho an’ny Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra

Nahazo antso ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, mbamin’ny olona liana hafa, tamin’ny Desambra 1999, mba hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Natao tao Long Beach, any Kalifornia, any Etazonia, ny voalohany tamin’ireny fivoriambe ireny, nanomboka tamin’ny 19 ka hatramin’ny 21 May 2000. Mbola hisy an-jatony maro hatao maneran-tany, mandra-pahavitan’ireo fivoriambe eo am-piandohan’ny taona 2001.

Nampifantoka ny saina ho amin’i Jehovah, ilay Mpanao zava-mahatalanjona, ny fandaharana. Nampirisihina isika tsy hanadino ny zava-drehetra nataony, fa hidera azy kosa amin’ny fontsika rehetra. (Sal. 9:1; 103:2, NW ). Nahazo torohevitra azo ampiharina isika momba ny fiainam-pianakaviana sy ny fomba izakana ny tsilo amin’ny nofo. Nampirisihina isika hiezaka mafy hanolokolo ny fahasalamantsika ara-panahy, ka tsy ho mpihaino manadino fa ho mpankatò ny tenin’Andriamanitra, ary hiresaka amin’ny hafa hatrany momba ny asa mahatalanjon’i Jehovah. Nantitranterin’ireo fitantarana sy fanadinadinana, mbamin’ireo lahateny, izay nanohina ny fo tokoa, fa tena azo ampiharina ny zavatra nodinihina tao amin’ilay fivoriambe. Nanatanjaka antsika mba tsy hanaraka fitondran-tena mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ilay fampisehoana tantara ara-baiboly mafonja hoe “Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika”. Ary nahazo tanjaka koa isika tamin’ny alalan’ny fandinihana lalina ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Isaia sy i Zefania ao amin’ny Baiboly.

Anisan’ny toerana nanaovana ilay fivoriambe ny Népstadion, ny kianja goavana indrindra any Hongria. Nisy maherin’ny 22 000 tonga tamin’ny andro fanokafana. Tsy hanenina na oviana na oviana ireo nanaraka ilay fampirisihana mba ho tonga hatramin’ny andro voalohany. Rehefa nifarana ny fandaharana ny maraina, dia nanao lahateny manokana i Gerrit Lösch, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ary nambara ny fivoahan’ny Les Écritures grecques chrétiennes — Traduction du monde nouveau tamin’ny teny hongroà. Nambara koa ny fivoahan’ny Les Écritures grecques chrétiennes — Traduction du monde nouveau tamin’ny teny romanianina sy albaney, tamin’io volana io ihany, tany amin’ny fivoriambe hafa.

Mbola nisy fivoriambe hafa natao tany an-toeran-kafa tatỳ aoriana kokoa tamin’io volana io ihany, tany Albania. Na izany aza, dia nanaiky ny fanasana hanatrika ny fandaharana tamin’ny andro fanokafana tao Tirana ny Vavolombelona nanerana an’i Albania sy i Kosovo. Akory moa ny hafaliany rehefa nambara ny fivoahan’ny Baiboly amin’ny teny albaney! Hoy ny rahalahy tanora iray: “Nanjary mazava kokoa sady mora azoko kokoa ny hevitry ny Baiboly rehefa namaky an’io fandikan-teny io aho, ary tsy izany ihany fa nanjary tiako kokoa ny Baiboly!” Mambra kominista teo aloha tao amin’ny parlemanta ny anabavy mpisava lalana maharitra iray izay 60 taona mahery. Izao no nosoratany: “Tena mahafinaritra be mihitsy ilay izy! Rehefa avy nianatra an’io fandikan-teny io aho vao nahatakatra fa kanto ny Baiboly, amin’ireo lahatsorany sy poeziany ary fitantarany milanto erỳ. Azonao alaina sary an-tsaina mazava tsara ny zava-nitranga manontolo mampihetsi-po. Rehefa namaky ny fomba nanaovan’i Jesosy fahagagana sy ny nanakianana azy ary ny nanesoana azy aho, dia nahatsapa fihetseham-po lalina mbola tsy tsapako mihitsy teo aloha!”

Tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika tany amin’ny Repoblika Tseky, dia ravoravo ireo mpanatrika nahazo ny Fanontana Misy Fakan-teny amin’ny Traduction du monde nouveau, ankoatra ny zava-tsoa hafa nomena tany amin’ny fivoriambe tany amin’ny tany maro. Misy fakan-teny eo an-tsisim-pejy sy fanamarihana ambany pejy maro be io fanontana io, ka vao mainka manampy azy ireo eo amin’ny fianarany amim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra. Mpanatrika maro tao Prague sy Ostrava no tafatsangana sady nanao tehaka saika tsy nisy farany, rehefa nambara ny fivoahan’io fanontana io.

Mazava ho azy fa mbola natao tany amin’ny faritra sasany teto amin’ny gilaoby ny fivoriamben’ny distrika nanasongadina ilay foto-kevitra hoe “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, teo am-piandohan’ilay taom-panompoana. Niezahana mafy ny hampitana io fanazavana lehibe io tamin’ny olona avy tamin’ny firenena sy ny fiteny maro araka izay azo natao. Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” 190, ohatra, no natao tany Meksika, ka nisy 1 073 667 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika. Natao mivantana tamin’ny teny espaniola, anglisy, maya, ary tamin’ny teny baiko moana meksikanina ilay fandaharana, ary nadika tamin’ny teny mazateco sy mixe ary tzotzil. Niravona ny sakana ara-piteny, rehefa nanjary nahatakatra tamin’ny alalan’ny Baiboly, ny zava-mahatalanjona tahirizin’Andriamanitra ho an’ny olombelona, ny karazan’olona rehetra.

Fiatrehana toe-javatra sarotra

Nanao fanambarana niavaka momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany Mesianika indray koa isika, nandritra ny taom-panompoana lasa. Nisy tampon’isan’ny mpitory 6 035 564 nandray anjara tamin’io asa io. Nisy 805 205 nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana, tamin’ny antsalany, nandritra iny taona iny. Tafakatra ho 1 418 062 ny tontalin’ny isan’ny mpisava lalana, tamin’ny volana Aprily! Maherin’ny arivo tapitrisa ora no natokana indray tamin’ny fitoriana ampahibemaso, tamin’iny taona iny. Maro no nandray anjara tamin’ilay asa, na dia niatrika toe-javatra nisedra mafy ny finoany aza. Tao anatin’ny toe-javatra maro samihafa anefa, dia noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa “tsy naman’izay mihemotra” izy ireo.

Rotidrotiky ny ady nandritra ny volana maro, ohatra, ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Misy mpitorin’ilay Fanjakana maherin’ny 30 000 any amin’ny faritra atsinanana, izay tsy afaka mifandray mivantana amin’ny biraon’ny sampana ao Kinshasa, amin’ny ankapobeny. Any amin’ny faritra sasany, dia matetika ny miaramila no mampijanona ny sivily, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mamotopototra azy ireny, ary mikapoka azy mihitsy aza indraindray. Tsy mitsahatra mitory anefa ny Vavolombelona. Misy mponina 50 tapitrisa eo ho eo any amin’io tany io. Ilain’ireny olona ireny koa ny hotolorana fahafahana handre ny vaovao tsara. Nanokana 13 ora teo ho eo isam-bolana, tamin’ny antsalany, tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, ny mpitory tany, nandritra iny taona iny.

Nampiseho finoana niavaka koa ireo rahalahy sy anabavy any Liberia. Anisan’ny zava-tsarotra atrehin’izy ireo isan’andro ny adim-piainana mafy, ary koa ny fiadiana amin’ny aretina mampahosa toy ny tazomoka sy ny tefoedra. Saika ny rehetra, na antitra na tanora, dia voa avokoa. Koa porofo mahery ny amin’ny finoan’ireo rahalahy sy ny zotom-pony ho an’i Jehovah ary ny herin’ny fanahin’i Jehovah eo amin’ny fiainany àry ny namaliany an’ilay antso hoe “Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?” Nisy tampon’isa vaovao ambony indrindra tamin’io volana io, satria nisy mpitory 3 193. Ny fitambaran’ny isan’ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra dia 32 isan-jaton’ny mpitory rehetra namerina tatitra. Koa tsy nampoizina mihitsy ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana 16 875, vokatr’izany ezaka rehetra izany, ary nasehon’ny tatitra tamin’ny volana May fa nisy 10 164 ny fampianarana ny Baiboly notarihina.

Nitohy tsy nety lefy ny ady an-trano efa hatramin’ny 19 taona, any Sri Lanka. Voatery nitsoa-ponenana ny olona an’aliny maro tamin’ny volana Aprily 2000, vokatry ny ady nafotaka tany amin’ny Saikinosy Jaffna any avaratra. Voakasika ny kongregasiona dimy, misy mpitory sy olona liana 600. Voatery mipetraka ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy ny trano nilaozan’olona teny akaiky ireo mpitory. Manao ahoana ny fiainana amin’izany? Nanoratra toy izao ny loholona iray any: “Hita miharihary hatraiza hatraiza ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo. (...) Tsy manana trano sy fananana intsony ireo rahalahy. Feno vanja milevina hatraiza hatraiza. Tsy an’asa ireo rahalahy; tsy afaka mandeha mianatra ny ankizy. Mangidy ny fahorian’ny olona. Maneho fikirizana anefa ireo rahalahy, noho ny fanahin’i Jehovah sy ny fanampiana ara-panahy. (...) Tsapanay fa manampy i Jehovah, ary velom-pisaorana azy izahay.” Nanohy nanao ny fivoriana rehetra ireo rahalahy ireo, eny, nahita toerana tsy nampidi-doza mihitsy aza mba hanaovana ny fivoriamben’ny fizaran-taniny, na dia notsinjaraina ho vitsy kokoa tsy toy ny nahazatra aza ny mpanatrika. Tsy nampihena ny ezaka nataony tamin’ny fanompoana izy ireo, fa vao mainka kosa nampitombo izany mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny mpiara-belona taminy.

Sarotra be ny manao dia lavitra any amin’ny faritra sasany any Ukraine, noho ny hamafin’ny fiainana. Mankamamy ny tombontsoany manompo an’i Jehovah anefa ny anabavy iray 80 taona mahery, ka mandeha an-tongotra adiny valo mandroso sy miverina rehefa mamonjy ny faritany itoriany. Efa hatramin’ny taona maromaro no anaovany izany. Mandeha an-tongotra folo kilaometatra any an-tendrombohitra koa izy mba hamonjena fivoriana.

Manohitra mafy ny Vavolombelon’i Jehovah any Romania ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa. Nohofan’ireo rahalahy ny kianja fanaovam-baolina iray ao Bucarest, ho fanomanana ny fitsidihan’i Willy Gournon, mpiandraikitra ny zone, mba hanaovany lahateny manokana. Nofoanana anefa ilay fifanekena, noho ny faneren’ny mpitondra ao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa. Na izany aza, andro vitsivitsy talohan’ilay fitsidihana, dia nisalovana ny olona ambony iray ka nanampy an’ireo rahalahy hanofa ny Sala Palatului (Efitrano Lapa) kanto. Nisy mpanatrika 2 184 tonga nihaino ny lahateny iray nitondra ny foto-kevitra tamin’ny fotoana nilana azy indrindra hoe “Diniho ny Tenanareo, na Mitoetra Amin’ny Finoana Ianareo, na Tsia”. Voazaha toetra ny finoan’ireo mpitory maherin’ny 38 000 any Romania, ka manohy mitory tsy an-kijanona ny vaovao tsara izy ireo. Misy mpisava lalana 3 569, amin’ny antsalany, any Romania, na dia voatery miasa koa aza ny ankamaroan’izy ireo.

Miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana ny lalàm-panorenan’ny fitondram-panjakana any Etiopia. Manambosy an’ireo mpiangona ao aminy hanohitra ny Vavolombelona anefa ny mpitondra fivavahana. Mety hahazo levilevy ny Vavolombelona, isaky ny manompo eny amin’ny saha. Tsy vitan’izany ihany anefa ny fanoherana. Ny tompon-trano mirehidrehitra koa dia mikapoka ny mpitory amin’ny kibay, ary mamely azy amin’ny vato. Tsy mangozohozo anefa ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah 6 166, izay manohy mitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana amin’ny mponina 62 tapitrisa any amin’io faritra avaratratsinanana any Afrika io.

Tsy nahay taratasy i Bejoma, fony izy nianatra ny fahamarinana teo amin’ny faha-61 taonany. Nangetaheta ny fahamarinana anefa izy ka nangataka ny hampianarina ny Baiboly isan’andro. Nilofo nianatra namaky teny sy nanoratra koa izy mba hahafahany hampianatra ny olona tao amin’ny vohitra niaviany, any Madagasikara. Niverina tany amin’ilay vohitra izy fony mbola mpitory tsy vita batisa, ary nanomboka nitarika fivoriana. Natao batisa izy ny taona nanaraka. Nirotsaka ho mpisava lalana izy rehefa afaka telo taona. Tsy mora anefa ny mitory ao amin’ilay vohitra misy azy. Ampiharana fanerena mafy ireo olona liana. Nivory avokoa ny fokonolona indray mandeha mba hampiova hevitra azy ireo. Nifandray tamin’ny fanahy ratsy mihitsy aza ny havan’ireo olona liana. Nandrahona ny hitifitra ny Rahalahy Bejoma ny havan’ny olona liana sasany raha mbola mankany an-tranon’ireny olona ireny ihany izy, koa atao ao an-tranon’ilay rahalahy ny fianaran’izy ireny ny Baiboly. Tsy mitsahatra ny asa fitoriana sy ny fivoriana, na eo aza izany fanoherana rehetra izany. Nisy efatra ny mpitory tamin’ny fotoana nanoratana ity tatitra ity, ary nisy 40 teo ho eo ny isan’ny mpanatrika ny fivoriana.

Nanohy nanao fihetsiketsehana narahin-tabataba ho fanoherana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivavaka jiosy mirehidrehitra fatratra any Israely. Narahin’izy ireo ny mpitory rehefa nitory isan-trano sy teny amin’ny zaridainam-panjakana, ka nokotabainy rehefa niresaka tamin’ny olona liana. Nanangana sarin’ny mpitory nohalehibeazina koa ireo mpanohitra teny amin’ny toerana talaky maso, mba hampitandremana ny besinimaro tsy hiresaka amin’ny Vavolombelona. Norahonany koa ny mpampiasa tamin’ny taon-dasa hoe tsy hovidiny ny entam-barony na hifampiraharaha aminy izy ireo raha tsy noroahiny ny mpiasa Vavolombelon’i Jehovah. Ho vokany, dia natao resa-be tao amin’ny televiziona sy ny gazety ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zavatra inoany. Nitombo 7 isan-jato indray ny isan’ny mpanompon’i Jehovah any Israely tamin’ny taon-dasa, noho ny fitahian’i Jehovah.

Nomanina teo ambanin’ny fitarihan’ny Fitambara-mpitantana ny taratasy mivalona manokana iray mitondra ny lohateny hoe “Ianareo no Fahazavan’izao Tontolo Izao” (anglisy) tany Kolombia. Tena nilaina ny nanaovana izany noho ny ady nifanaovan’ireo ankolafiny nitam-piadiana. Taratasy mivalona efa ho folo tapitrisa no voazara. Nanjary nazava tamin’ny olona ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny ady: Mialanalana izy ireo. Nohazavain’izy io koa ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianarana ny olona toetra sy fitsipi-pitondran-tena tsara, mba hampianarana ny voafonja, mba hanampiana ny marenina, mba hanampiana ny tra-boina noho ny loza araka ny natiora, sy mba hanomezana fanantenana ny amin’ny hoavy. Vavolombelon’i Jehovah 107 613 any Kolombia no revo amin’ny fampahafantarana ny “filazantsaran’ny fihavanana”. (Efes. 6:14, 15). Nizarana an’ilay taratasy mivalona na ny tao amin’ny faritanin’ny kongregasiona, na ny tany amin’ny faritra mitokana. Nivavaka ny mpisava lalana roa tao amin’ny Provansin’i Cauca mba hanana fahafahana hitory tamin’ny ankolafiny iray nitam-piadiana niasa tao amin’ilay faritra. Nahazo valim-bavaka izy ireo indray andro rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray, ka nahita olona maro anisan’io ankolafiny io. Afaka nizara taratasy mivalona maro tao amin’io toerana io ireo mpisava lalana. Nangataka lalana mba handefa tao amin’ny televiziona teo an-toerana ny vidéo rehetra novokarin’ny Fikambanana ny ben’ny tanàna iray tao amin’ny Provansin’i Chocó, rehefa avy namaky an’ilay taratasy mivalona.

Mila manam-paharetana be ny rahalahy any amin’ny tany maro, vao mahazo fanomezan-dalana hanorina Efitrano Fanjakana, izay ivorian’ny olona mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Nomen’ny Sampan-draharahan’ny Fanajariana ny Tanàn-dehibe ihany ny fahazoan-dalana hanorina toerana iray fanolorana fanompoam-pivavahana ao Kassándra, any amin’ny faritra avaratra any Gresy. Vao fiandohan’ny olana anefa izany. Nahazo rahom-bava ny mpiantoka fanorenana trano sy ny mpihady tany ary ny kompania mamatsy rihibato mifangaro sy fitaovam-panorenana hafa, ka nihorohoro. Ho vokany, dia nialan’izy ireo ilay tetik’asa na tsy nety nifampiraharaha tamin’ireo rahalahy intsony izy ireo. Tsy navela hahazo rano sy jiro tao an-tanàna izy ireo tamin’ilay tetik’asa. Naneno ny lakolosim-piangonana rehefa nizotra ny asa teo amin’ilay toeram-panorenana, tamin’ny 21 Oktobra 1999. Nanafika an’ilay toeram-panorenana ny vahoaka romotra notarihin’ny ben’ny tanàna sy ny pretra teo an-toerana, tapa-kevitra mafy ny handravarava ny zava-drehetra. Nilazana ny amin’ilay toe-javatra ny minisitry ny fitandroana ny filaminam-bahoaka tany Atena. Nanome toky ny Vavolombelona izy fa handefa polisy izay hiaro amin’ny fomba feno. Maherin’ny 300 ny polisy avy tany amin’ny tanàna maro samihafa nanerana ny faritra avaratra any Gresy, nandray anjara tamin’izany fiarovana izany, nandritra ilay tetik’asa. Vonona ny Efitrano Fanjakana tsara dia tsara iray tamin’ny 30 Oktobra. Noporofoin’ireo rahalahy tokoa fa “tsy naman’izay mihemotra” izy ireo. Antenaina fa hisy akony tsara eo amin’ny fanorenana trano fanolorana fanompoam-pivavahana any amin’ny faritra hafa any Gresy ny fiafaran’io raharaha io.

Fantatry ny rehetra fa nanjary niditra an-tsehatra ny firenena maro samy hafa tamin’ny 1999, noho ny fihenjanan’ny fifandraisan’ny Albaney sy ny Serba any Kosovo efa hatramin’ny taona maro. Olona ana hetsiny maro no nandositra nankany amin’ireo tany eny akaiky, mba hitady fiarovana. Rehefa tafaverina ny maro, dia nitsidika an’ireo rahalahy tany Kosovo ny Vavolombelona avy tany Albania, ary tonga nitsidika koa ny avy tany Aotrisy tatỳ aoriana. Inona no hitan’izy ireo tany? Faharavana hatraiza hatraiza. Tsy nisy firy ny jiro sy ny rano ary ny solika fanafanana, nandritra ny ririnina. Matetika no tena nangatsiaka be ny toeram-pivoriany, kanefa tsy nofoanana ny fivoriana. Nampiasa labozia ireo rahalahy mba hahafahany hanome valin-teny sy hanao lahateny, ary namirifiry be ny andro, hany ka hitan’izy ireo ny fofon’ainy teo am-pihirany fiderana an’i Jehovah. Rava ny trano roan’ny Vavolombelona, kanefa nanome fanambarana tsara dia tsara ny fahatongavan’ny rahalahy sy ny anabavy avy tany Albania sy Italia mba hanampy azy ireo hanorina indray ny tranony. Mirehitra fatratra manodidina an’ireo mpitory ny fankahalana ara-pirazanana, koa ilain’izy ireo ny ho mailo tsara rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana. Dodona anefa izy ireo manararaotra ny fahafahana hitory eny an-tsena, any amin’ny paositra, eny amin’ny arabe, ary amin’ny mpiara-monina aminy.

Niharan’ny loza araka ny natiora ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’i Venezoela ny fanjakan’i Vargas any amorontsiraka, teo antenatenan’ny volana Desambra 1999, rehefa avy nirotsaka be ny orana. Nikoa ara-bakiteny ka niantonta teo amin’ilay faritra amorontsiraka be mponina ny tehezan-tendrombohitra iray. Tombanana ho 50 000 ny olona maty, ary 400 000 no nanjary tsy nanan-kialofana. Nisy Vavolombelona maherin’ny 1 200 anisan’ireo tsy maintsy nandositra ny tranony. Teo anatrehan’izany loza aman’antambo izany, inona no nataon’ireo kongregasiona 11 sisa tavela tao amin’ilay faritr’i Vargas, rehefa nalefa ny antso mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily? Asehon’ny tatitra fa nisy 112 — izany hoe folo isaky ny kongregasiona, tamin’ny antsalany — no nanatevin-daharana an’ireo mpisava lalana maharitra 77 efa manompo any.

Misy rahalahy roa tsy afa-mandeha any Suriname, ka mandehandeha amin’ny bisikileta misy kodiarana telo, voiziny amin’ny tanany, izy ireo. Samy mpisava lalana izy mirahalahy ireo. Ny iray naratra tamin’ny tongony roa, ary ilay faharoa notapahina ny tongony roa. Mety hihitsoka ao anatin’ny fotaka izy ireo rehefa avy ny orana, kanefa tonga foana any amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, mitsikitsiky erỳ.

Zava-dehibe avokoa ireo fivorian’ny kongregasiona rehetra, kanefa zava-dehibe indrindra ny Fahatsiarovana. Nisy olona liana 11 tonga nanatrika an’ilay fivoriana tao Awaso, any Papouasie, tamin’ny 19 Aprily 2000. Nandeha botry kely nandritra ny 17 ora izy ireo namakivaky ranomasina nisamboaravoara, mba hanatrehana an’ilay izy. Taorian’ny fankalazana ilay Fahatsiarovana, dia tsy tanan’ny mpanatrika ny ranomasony rehefa fantany ny zotom-po nasehon’ireo olona liana ireo sy ny fitiavany ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina. “Tianay ny hiara-mankalaza ny Fahatsiarovana an’i Kristy amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah hafa, koa mendrika ny natao tokoa ilay dia”, hoy izy ireo.

Fitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona maro kokoa

Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho”. (Rom. 1:14). Nataon’i Jehovah ho afaka hahazo fiainana mandrakizay ny karazan’olona rehetra, tamin’ny alalan’ny avotra. Nankinina tamin’i Paoly ny fahalalana an’izany, ary nirahin’i Kristy ho apostolin’ny firenena izy. Takatr’i Paoly fa adidiny ny nanao izay rehetra azony natao mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny hafa. Nataony tamin-jotom-po izany. Toy izany koa amin’izao androntsika izao fa zava-dehibe amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ilay fanirahana hitory ny vaovao tsara, mba ho vavolombelona amin’ny olona rehetra eto ambonin’ny tany. (Matio 24:14, 45-47, NW ). Mazava ho azy fa ilain’ny olona eran-tany ho re na hovakiny amin’ny fiteniny manokana ny vaovao tsara, mba ho takany mazava ny heviny. Mitaky asa fandikan-teny be dia be izany.

Nandritra ny taon-dasa, dia sambany ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny fiteny 22, ankoatra ireo efa nandikany taloha. Fitenin’ny olona maherin’ny 31 tapitrisa ireo fiteny fanampiny ireo. Tsy natao tsirambina koa ny mponina miteny quechua any Bolivia sy Peroa, izay tsy mba nianatra namaky teny. Natao tamin’ny kasety ny boky Fahalalana, mba hohenoin’izy ireo. Mamoaka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny 360 ankehitriny ny Vavolombelon’i Jehovah.

Zavatra vita an-tsoratra roa anisan’ny loha laharana amin’ny fampielezana ny fahamarinana ara-baiboly Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Efa asa be ny manomana gazety efatra samy hafa amin’ny teny anglisy isam-bolana. Mbola asa lehibe kokoa anefa ny mamoaka gazety isam-bolana na indroa isam-bolana na isan-telo volana amin’ny fiteny maro. Nomerao samy hafa 4 078 no nomanina nandritra ny taon-dasa. Ny sampan’i Rosia fotsiny dia mandika Ny Tilikambo Fiambenana, tsy amin’ny teny rosianina ihany, fa amin’ny fiteny fito hafa koa, izay fitenin’ny mponina 36 tapitrisa any amin’ny tany 13.

Adika tsy tapaka amin’ny fiteny 31 ny Diary, ary amin’ny fiteny 114 ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Ankoatra izany, dia boky hafa 119 sy bokikely 265 sy bokikely kely velarana 34 ary taratasy mivalona 273 no nadika mba hampielezana ny fahamarinana ara-baiboly, tamin’ny taon-dasa. Voadika amin’ny fiteny efatra fanampiny (albaney, hongroà, romanianina, ary shona) ny Les Écritures grecques chrétiennes — Traduction du monde nouveau, nandritra ny taon-dasa, ary navoaka tamin’ny teny xhosa ny Traduction du monde nouveau feno. Kasety vidéo 24 koa no novokarina. Ankoatra izany, dia mamoaka zavatra vita an-tsoratra amin’ny soratra Braille amin’ny fiteny 11 ny Fikambanana ankehitriny. Ary navoaka tamin’ny kasety vidéo tamin’ny teny baiko moana amerikanina, brezilianina, japoney, ary koreanina ny fampisehoana tantara tamin’ny fivoriamben’ny distrika, tamin’ny taon-dasa. Natao izany rehetra izany mba hampitana amin’ny olona maro araka izay azo atao ny hafatra manome fiainana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Zava-tsarotra hafa koa ny fampitana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona miteny kreôla. Fiteny roa na mahery nafangaro, avy eo notsorina, no nahazoana ny teny kreôla. Izy io no nanjary fiteny voalohany indrindran’ny firenena iray, ka mampiseho taratry ny kolontsainy. Na izany aza, dia tsy mamaky ny teny kreôla ny olona miteny azy io, amin’ny ankapobeny. Mpampianatra anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, koa mianatra mamaky teny sy manoratra amin’ny teny kreôla eo an-toerana izy ireo any Maorisy sy La Réunion, mba hahafahany hamaky teny amin’ny olona amin’ny fitenin-drazany sy hampianatra azy ireny hanao toy izany koa. Koa satria tsy nisy fitsipi-panoratana ny teny kreôla any Maorisy sy La Réunion, dia namorona tsipelin-teny azo ekena ny Fikambanana. Avy eo dia natao pirinty tamin’ny teny kreôla mba hampiasaina eny amin’ny fanompoana ireo bokikely hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra sy hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Nanao tatitra ny anabavy iray, rehefa nanomboka nampiasa an’ireo bokikely ireo, fa nanomboka fampianarana ny Baiboly vaovao dimy izy. Hoy ny rahalahy iray: “Hatramin’ny nampiasainay an’ireo fitaovana vaovao ireo, dia hitanay fa mahazo tsara kokoa ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra ny olona ampianarinay. Marina fa tsy misosa tsara ny famakiany ny teny kreôla, kanefa rehefa vakinay aminy ilay izy, dia takany tsara mihitsy ny hevitra.”

Anton-javatra hafa manampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona maro kokoa ny nanatsorana ny fandaharam-pizarana zavatra vita an-tsoratra. Notahin’i Jehovah ny finoana nasehon’ny mpanompony tamin’io lafiny io. Hazavaina amin’ny olona ny amin’ilay fanomezana an-tsitrapo, kanefa tsy itakiana sarany ny zavatra vita an-tsoratra. Nampiharina tany amin’ny tany rehetra mbola tsy nanaovana azy ilay fandaharana, nanomboka tamin’ny Janoary 2000. Nanoratra toy izao ny sampan’i République centrafricaine: “Midika izany fa na iza izy na iza, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-bolany, dia afaka mahazo ny zavatra vita an-tsoratra tena ilainy mba hahatongavana ho mpianatr’i Kristy. Nankasitraka be dia be an’io fandaharana io ny mpitory sy ny besinimaro.” Hoy ny sampan’i Indonezia: “Koa mirona kokoa hitady an’ireo liana ny hamaky ny zavatra vita an-tsoratsika, fa tsy an’ireo afaka mividy azy ireny, ireo rahalahy.” Hoy ny tatitra nataon’ny sampan’i Afrika Atsimo: “Nitombo maherin’ny avo roa heny ny isan’ny gazety atao pirinty, ary maherin’ny avo efatra heny mihitsy aza amin’ny fiteny sasany! (...) Asehon’izany rehetra izany fa maro kokoa noho ny hatramin’izay ny ‘voan’ny’ fahamarinana afafy ankehitriny. — Matio 13:3-8.”

Lafiny hafa tamin’ny asa natao tamin’iny taona iny ny fandefasana mpisava lalana manokana tsy maharitra tany amin’ny toerana sasany, nandritra ny fotoana voafetra. Nanjary nandray soa ny olona mbola tsy nitoriana mihitsy. Nanao tatitra i Côte d’Ivoire fa nahita vokatra tsara. Nandray an-tanan-droa an’ireo mpisava lalana ny manam-pahefana tao amin’ny tanàna sasany, ka nalaina hamela azy ireo handeha. Tsara fanahy tokoa ny ben’ny tanàna lefitra tao Sipilou, satria nanome filasiana maimaim-poana, ary namela azy ireo hampiasa ny tokotaniny mihitsy aza mba hanaovana fivoriana. Rehefa tonga mba hanao veloma ny ben’ny tanàna ireo mpisava lalana mirahavavy tao Tiemelekro, dia hoy izy io: “Tsia! Tsy mahazo mandeha amin’izao fotsiny ianareo. (...) Ataoko fa nanao mpianatra ianareo nandritra izay telo volana izay. Izany no antony nahatongavanareo teto amiko mba hahazoanareo tany hanorenana ny fiangonanareo. Vonona ny hanome anareo izany tany izany aho ankehitriny. Koa mba lazao ahy hoe iza no hisolo anareo!”

Vavolombelona maro koa no nanararaotra ny fahafahana hitory ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny olona nety ho tsy nahare mihitsy tamin’ny fomba hafa. Nanaiky ho mpampianatra teo amin’ny nosinakorandriaka Jaluit any lavitra ny anabavy iray any amin’ny Nosy Marshall. Hitany fa izy irery ihany no Vavolombelona teo amin’ilay nosy. Nitory tamin-jotom-po tamin’ny mpiara-monina rehetra taminy izy, ka nitarika fampianarana ny Baiboly sivy ary nitarika fivoriana iray isan-kerinandro. Tonga tany ny mpanampy amin’ny fanompoana iray avy tao amin’ny nosy Majuro tamin’ny 19 Aprily, mba hanao ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nisy 175 ny mpanatrika. Nanasa olona maro araka izay azony natao mba hanatrika an’io fotoan-dehibe io ilay anabavintsika ao amin’ilay nosy mitokana. Mikasa ny hifindra monina ao Jaluit ilay rahalahy sy ny vadiny ankehitriny, mba hiara-miasa amin’io anabavy izay efa ao io, eo amin’ny fanampiana ireo olona ireo hitombo ara-panahy.

“Nitory tamin’ny fahasahiana” mba handresena ny fanazavana diso

Tsy zava-baovao tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny niadian’ny hafa hevitra taminy. Tany Ikonioma, ohatra, rehefa nisy olona betsaka nanaiky ny fampianaran’ny Kristianisma, dia “nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra ny rahalahy” ireo mpanohitra. Tsy nitakemotra anefa i Paoly sy i Barnabasy, fa “nitoetra ela teo (...) nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo”. — Asa. 14:1-7.

Manohy manaitra ny sain’ny besinimaro hanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanohitra ankehitriny, ka indraindray mampiasa ny fampitam-baovao na mampiasa fomba hafa natao ho an’ny besinimaro mba hanatratrarana ny zava-kendreny. Ho setrin’izany, ny Birao Mifandray Amin’ny eny Ivelany any Brooklyn sy ireo Sampan’ny Birao Mifandray Amin’ny eny Ivelany any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana dia mandany fotoana be dia be ampitana fanazavana izay ampiasaina amim-pahasahiana mba hampahafantarana ny marina amin’ny mpampanonta gazety sy ny mpanao gazety ary ny hafa.

Nandamina fampisehoana an’ilay vidéo vaovao hoe Fomba Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra — Tsotra, Azo Antoka, Mandaitra (anglisy) tao amin’ny konferansa iray momba ny fitsaboana natao tany Genève, any Soisa, ny Fikambanana, tamin’ny May 2000. Nahitana fanadinadinana mpandidy sasany anisan’ny mahay indrindra eran-tany sy fampisehoana teknika amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra, ilay vidéo. Nampahafantatra an’ireo dokotera any Eoropa ny amin’ny fomba fitsaboana tsy ampiasana ra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafa, ilay vidéo. Avy hatrany ireo dokotera nanatrika an’ilay konferansa dia nanafatra 300 teo ho eo tamin’io vidéo io.

Nandamina fampirantiana ara-tantara mahakasika ny fampiasana ny anaran’i Jehovah ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly ny Fikambanana, tany Belzika. Nasongadina tao amin’ilay fampirantiana ny asan’ny mpandika teny sy ny mpanao pirinty tany am-boalohany, toa an’i William Tyndale, ary ny vato nisakana natrehin’izy ireo teo amin’ny fiezahany hampiely ny Baiboly tamin’ny besinimaro. Nisy mpianatra avy tamin’ny sekoly 13 nitsidika tao koa.

Olona maherin’ny 70 000 no nitsidika an’ilay Fampirantiana Les triangles violets nitetezana faritany tany Brezila, tamin’ny taon-dasa. Antenain’ny Vavolombelon’i Jehovah fa olona maro, toy ny tany Ikonioma fahiny, no tsy hanaiky ho tonga tery saina noho ny fanolanan’ny sasany ny zava-misy, fa hihaino tsara kosa rehefa hazavaina aminy ny fahamarinana ara-baiboly.

“Fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara”

Nifanaraka tamin’ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly teo amin’ny “fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara”, dia nikarakara raharaha ara-pitsarana maro tany amin’ny tany maro samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taon-dasa. (Fil. 1:7, NW ). Nekena tamin’ny fomba ofisialy ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tany Azerbaïdjan sy Bénin sy Romania ary Soeda, tsy amin’ny maha fikambanana azy ihany, fa amin’ny maha fivavahana azy koa. Koa mahazo fiarovana bebe kokoa avy amin’ny lalàna miantoka fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana izy ireo.

Nanao izay hanafoanana an’ilay fanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah kosa ny mpanohitra tany amin’ny Repoblikan’i Géorgie, eo amoron’ny Ranomasina Mainty. Nandritra ny fitsarana iray nahakasika Vavolombelon’i Jehovah iray, dia nifanizina teo amin’ny fidirana tao amin’ilay efitrano fitsarana ireo mpivavaka mirehidrehitra fatratra tao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa. Nampiasa herisetra izy ireo mba hisakanana ny olona na iza na iza tsy nety nanoroka lakroa hazo teny an-tanany. Nampiakarina ambony ny sary masina sy ny lakroa hazo nandritra ilay fitsarana, ary narehitra tao amin’ilay efitrano fitsarana nandritra ny fiatoana ny labozia fampiasa amin’ny fanaovana voady. Nipoaka ny herisetra tao anatin’ilay efitrano rehefa namely an’ireo mpisolovava sy mpanao gazety ary Vavolombelon’i Jehovah ireo mpivavaka nirehidrehitra fatratra. Nampiakarin’ireo rahalahy any Géorgie tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Géorgie ilay raharaha, ary antenainy fa handresy ny rariny sy ny fahamarinana. Tetsy an-danin’izany, dia nanokana 2 887 835 ora ireo mpitory 14 855 any Géorgie nandritra iny taona iny, mba hampianarana ny olona momba ny fahamarinana manafaka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Mbola tsy nifarana ilay raharaha ara-pitsarana any Moscou, any Rosia, nikendrena hanafoanana ny fikambanana ara-dalàn’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tanàna io. Tetsy an-danin’izany, dia tsy nahazo lalana hanorina Efitrano Fanjakana, izay tena ilainy mafy, ny rahalahy any Moscou. Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny Fitsaran’ny Lalàm-panorenan’i Rosia, tamin’ny 23 Novambra 1999. Izany dia vokatry ny raharaha ara-pitsarana iray niadiana ho an’ny Kongregasiona Yaroslavl. Tsy afaka nanome porofo an-tsoratra momba ny nisiany nandritra ny 15 taona io kongregasiona io, araka ny notakin’ny lalàna momba ny fivavahana nivoaka tamin’ny 1997. Koa tsy navelan’ny manam-pahefana teo an-toerana hanafatra sy hizara zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana intsony ilay kongregasiona, ary tsy navelany hiasa tao amin’ilay tanàna intsony ny rahalahy iray avy tany Alemaina. Anisan’ny “fikambanana ara-pivavahana manana foibe” efa voasoratra ara-panjakana eo amin’ilay firenena anefa ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny fahitan’ilay fitsarana azy. Koa namoaka didy ilay fitsarana fa tsy azo nampiharina tamin’izy ireo ilay fitakiana porofon’ny fisiana nandritra ny 15 taona. Nekena tamin’ny 29 Aprily 1999 mantsy ny fanoratana ara-panjakana indray ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana any Rosia. Raha mbola teo am-pikarakarana ireo raharaha ireo ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, dia nanokana 24 782 467 ora fanampiny tamin’ny fanompoany ampahibemaso ireo mpitory any Rosia tamin’ny taon-dasa. Nahita fitomboana 7 isan-jato fanampiny izy ireo, ka nahatratra tampon’isan’ny mpitory 114 284.

Mbola miatrika toe-javatra sarotra koa ireo rahalahy any Frantsa. Nahazo rariny izy ireo tato anatin’ireo efa-taona faramparany, tamin’ny raharaha 921 nandalo tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy raharaha 65 nandalo tao amin’ny fitsarana ambony. Raharaha momba ny fanafahana amin’ny fandoavana ny hetran’ny Efitrano Fanjakana izy ireny. Nampiakarin’ny Sampan-draharahan’ny Hetra foana tany amin’ny fitsarana ambony kokoa anefa ireo raharaha ireo, koa nalefa hodinihin’ny Filan-kevi-pitondrana frantsay — ny fitsarana ambony indrindra momba ny fitantanan-draharaha any Frantsa. Namoaka didy io fitsarana io tamin’ny 23 Jona 2000 fa mahafeno fepetra ho fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny lalàna frantsay, koa manan-jo ho afaka amin’ny fandoavana ny hetran’ny Efitrano Fanjakanany izy ireo. Mbola zava-dehibe kokoa ny nilazan’ilay fitsarana fa “tsy manohintohina ny tombontsoan’ny vahoaka” ny zavatra atao ao amin’ireny Efitrano Fanjakana ireny. Iraika ambin’ny folo andro monja taorian’izay anefa, dia nisy raharaha hafa iray nandalo tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Nanterre, mba hanohanana ny fitakian’ny Sampan-draharahan’ny Hetra. Nitaky hetra 60 isan-jato tamin’ireo fanomezana ara-bola ho an’ny asa ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa mantsy io sampan-draharaha io. Namoaka didy an-tsoratra ilay fitsarana hoe tsy afaka mangataka ny hafahana amin’ny fandoavan-ketra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy fivavahana ekena any Frantsa. Eo am-panomanana fangatahana halefa any amin’ny Fitsarana Ambony any Versailles ireo rahalahy ankehitriny. Tetsy an-danin’izany, dia vao nampandalovina tao amin’ny Antenimieram-pirenena frantsay ny volavolan-dalàna iray mba holanina. Io volavolan-dalàna io dia natao hanamorana ny fandravana an’izay rehetra antsoina hoe sekta, raha toa ilay sekta na ireo mpitarika azy ka efa voasazin’ny fitsarana indroa. Raha mbola “misaina fampahoriana manohitra ny lalàna” ireo fahavalo, dia mametraka ny fitokisany amin’ilay Mpitsara Lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy maintsy ampamoahina eo anatrehany ny olona rehetra. — Sal. 94:20; Rom. 14:10.

Fanorenana Efitrano Fanjakana izay tena ilaina maika dia maika

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona tia sy manompo an’i Jehovah, ka ilaina maika dia maika ny Efitrano Fanjakana ivoriany mba hanolorany fanompoam-pivavahana. Miasa any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana any Afrika Atsimo sy Alemaina sy Aostralia sy Brezila ary Meksika ankehitriny ireo Biraom-paritra Momba ny Efitrano Fanjakana, mba hikarakara izany zavatra ilaina izany. Avy any amin’ireo toerana ireo no andefasana rahalahy mahay mba hitsidika sampana hafa ka hanampy azy ireo handamina ny asa mifanaraka amin’izay ilainy. Omena fanampiana amin’izao fotoana izao ny tany 72 any Azia/Oseania, Eoropa Atsinanana, Afrika Atsinanana sy Andrefana, Amerika Afovoany sy Atsimo, ary any amin’ireo nosin’i Caraïbes.

Mpanompo iraisam-pirenena maherin’ny 100 no miezaka mafy mampiofana an’ireo rahalahy eo an-toerana mba hahaforona Antokona Mpanorina Efitrano Fanjakana, izay ho afaka hiara-miasa ao amin’ny taniny ihany. Noho io fandaharana io, dia Efitrano Fanjakana 453 no vita hatramin’izao tany amin’ny tany 30, ary misy 727 hafa eo an-dalam-panorenana azy ankehitriny. Nantitranterina ny famolavolana maritranon’ny Efitrano Fanjakana modely ho an’ny tany tsirairay, dia modely hampiasana fitaovam-panorenana sy fomba fanorenana eo an-toerana. Vato alaina eny amin’ny toerana fihadiam-bato no ampiasaina any Kenya; biriky no fampiasa mahazatra any Togo; biriky rihibato izay lalorina avy eo no fampiasa any Cameroun. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny rahalahy eo an-toerana mahazo haingana ny fahaiza-miasa tena ilaina mba hanatontosana anjara asa lehibe ao anatin’ny fandaharam-panorenana eo amin’ny fireneny.

Maro tamin’ireo rahalahy nampianarina ny fomba fiasa no naniry mafy ny handray anjara, tany amin’ny tany maro samihafa. Rahalahy sy anabavy mahay an-jatony maro eo an-toerana no nirotsaka an-tsitrapo. Any amin’ny tany sasany, dia tsy ho afaka nandray anjara ireo rahalahy, raha ny tarehin-javatra eo an-toerana no jerena. Koa atao ny fandaharana mba hanomezana sakafo sy filasiana ho an’ireo nanao fangatahana ka nekena, mba hahafahan’izy ireo hifantoka tanteraka amin’io asa maika dia maika io, dia ny fanorenana sy ny fanavaozana Efitrano Fanjakana ao amin’ny taniny ihany.

Inona no vokatry ny fanorenana an’ireny Efitrano Fanjakana ireny eo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana? Nandefa izao tatitra izao i Bénin, any Afrika Andrefana: “Ho faly ianareo hahafantatra fa notokanana omaly ny Efitrano Fanjakana ao Krake. Misy 73, amin’ny antsalany, ny mpanatrika isaky ny alahady ao amin’io kongregasiona manana mpitory 34 io, kanefa nisy 651 tonga nanatrika an’ilay fitokanana. Tsy maintsy niaritra fitsarana an-tendrony sy fanesoana be dia be ireo rahalahy tao amin’io tanàna io tamin’ny lasa, satria tena faran’izay tsotra ilay Efitrano Fanjakana teo aloha, raha oharina amin’ny fiangonana sasany. Iray amin’ireo trano tsara tarehy indrindra ao amin’ilay tanàna anefa ilay Efitrano Fanjakana vaovao ankehitriny. Mponina ao amin’ilay tanàna ihany ny ankamaroan’ireo mpanatrika, ary niova hevitra izy ireo izao rehefa avy nahita izay vitan’ireo rahalahy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja.” Hoy ny Kongregasiona Nafisi any Malawi: “Manome fanambarana tsara dia tsara ny fanananay Efitrano Fanjakana tsara tarehy ankehitriny. Ho vokany, dia mora ny manomboka fampianarana ny Baiboly rehefa mitory izahay. Gaga avokoa ny olona hatraiza hatraiza.”

Nanjary nilaina maika dia maika ny Efitrano Fanjakana any Liberia, noho ny fitomboana tato anatin’ireo taona faramparany. Tsy takatry ny volan’ireo rahalahy velively anefa ny hanorina Efitrano Fanjakana. Zara raha nahaloa ny hofan’ny tranony kely ny tenan’izy ireo. Nivory tsotra izao tao an-tranon’ny rahalahy izy ireo tany amin’ny faritra maro, ka mpanatrika maro no voatery nivoaka teny amin’ny arabe. Na koa nivory tany amin’ny trano tsy natao hateza izy ireo. Toa tsy nisy vahaolana mihitsy, mandra-pandre vaovao ny amin’ilay fandaharana mahatalanjona hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany tsy manam-bola firy. Nampiasaina ny vola nomen’ireo rahalahy tany an-tany hafa mba hanorenana efitrano tany amin’ny toerana tena nilana izany. Efitrano vaovao dimy no efa voaorina sahady tao anatin’ny enim-bolana farany. Nasehon’ireo rahalahy ny ‘fahazotoany’, na dia eo aza ny ‘tsy fananany’ (ara-bola), ka vonona dia vonona hampiasa ny tanjany ara-batana tamin’ilay asa izy ireo. (2 Kor. 8:12). Nanao biriky simenitra maherin’ny 1 000 tao anatin’ny iray andro, ohatra, ny Kongregasiona New Georgia, ka nataony tanana izany!

Tranon’ny sampana vaovao sy nitarina

Nanjary nilaina koa ny nanorina tranon’ny sampana sahaza mba hikarakarana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tsy mitsaha-mitombo isa sy mba hanomanana ny fitaovana ilain’izy ireo eo amin’ny fanompoana. Maromaro ny tranon’ny sampana notokanana nandritra ny taon-dasa. Misy 19 587 ny tontalin’ny isan’ny minisitra ara-pivavahana voatokana izay miasa ao amin’ireny tranon’ny sampana ireny maneran-tany, ka samy ao amin’ny Laharan’ireo Mpanompo Manontolo Andro Manokana avokoa izy rehetra.

AFRIKA ATSIMO: Toa lehibe kokoa tsy araka izay nilana azy ny tranon’ny sampana tao Krugersdorp, rehefa vita tamin’ny 1987. Nahoana anefa no notokanana ny birao nitarina, ny trano fonenana telo vaovao, ny garazin’ny kamiao ary ny trano vaovao iray malalaka fanatobiana entana, ary izany dia 12 taona monja tatỳ aoriana?

Izao no antony iray: Nihanahazo fahalalahana ny vahoakan’i Jehovah, vokatry ny nifaranan’ny Ady Mangatsiaka. Nesorina ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rwanda sy Malawi sy Mozambika ary Angola. Hatramin’ny nahavitan’ny tranon’ny sampana tamin’ny 1987, dia nisy fitomboan’ny isan’ny mpitory 148 isan-jato, tamin’ny fitambarany, tao amin’ny folo amin’ireo tany andefasan’i Afrika Atsimo zavatra vita an-tsoratra! (I Mozambika fotsiny dia nahitana fitomboana 523 isan-jato, tao anatin’ireo 12 taona ireo.)

Ankoatra izany, dia nanjary nalalaka kokoa ny fivezivezena tany amin’ny tany hafa any Afrika, vokatry ny niorenan’ny fitondram-panjakana vaovao tany Afrika Atsimo sy ny faharavan’ny apartheid (fanavakavaham-bolon-koditra). Koa afaka manao zavatra bebe kokoa mba handefasana zavatra vita an-tsoratra any amin’ireo sampana eny akaikiny, ny sampan’i Afrika Atsimo. Mitahiry zavatra vita an-tsoratra koa io sampana io, ankoatra ny fanaovany pirinty gazety sy bokikely ary zavatra vita an-tsoratra hafa, ka mikarakara ny fanafaran’ny kongregasiona any amin’ny tany maromaro eny akaikiny. Mahazo vahana izao ny fanorenana Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana any Afrika, koa mihamaro ny sampana andefasan’i Afrika Atsimo fitaovam-panorenana.

Indreto koa misy antony hafa: Nahita fitomboana 62 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Afrika Atsimo mihitsy, nanomboka tamin’ny 1987. Voatery nohalehibeazina ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny tato anatin’ireo taona vitsivitsy farany, mba hisahanana ny asa fanampiny amin’ny fandikana ny Baiboly amin’ny fiteny fito eo an-toerana — afrikaans, sepedi, sesotho, tsonga, tswana, xhosa, ary zoloa. Tsy mahagaga àry raha voatery nitarina ireny toerana anaovana asa lehibe ao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo ireny.

Koa notokanana tamin’ny 23 Oktobra 1999 tany Afrika Atsimo ny tranon’ny sampana nitarina. Tonga nanatrika izany i Daniel Sydlik, anisan’ny Fitambara-mpitantana, izay nanao lahateny iray nampientam-po nitondra ny lohateny hoe “Fitokanana Mampiseho Taratry ny Voninahitr’Andriamanitra”.

JAPON: Notokanana herinandro vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny 13 Novambra, ny tranon’ny sampana nitarina ao Ebina, any Japon. Vao naorina ny trano fonenana iray misy rihana 11 sy ny trano fiasana iray misy rihana 3. Mpanompo iraisam-pirenena sy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena mahay niisa 70 mahery no niara-niasa tamin’ny mpiasa naharitra sy tsy naharitra teo an-toerana nisy 2 000 teo ho eo, ka nahavita ilay tetik’asa tao anatin’ny telo taona sy tapany.

Natao io fandaharam-pitokanana io, 50 taona taorian’ny nahatongavan’ireo misionera voalohany nirahin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tany Japon, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Tonga nanatrika an’ilay fitokanana ny sasany amin’ireny misionera ireny, izay mbola manompo any Japon, ary koa ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra any Japon, mbamin’ny mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela hafa, ary ny solontena 344 avy tany amin’ny firenena 37.

Mbola vitsy dia vitsy ny mpanompon’i Jehovah nahatoky tany Japon, fony tonga tao Tokyo ireo misionera voalohany ka nanomboka indray ny asa fitoriana, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Misy mpitorin’ilay Fanjakana marisika maherin’ny 221 000 any ankehitriny, mampiely ny vaovao tsara any amin’ny lafy valon’io tany io. Ankoatra izany, dia alefa any an-tany hafa ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly atao pirinty any Japon amin’ny fiteny 27, ary mitondra fanampiana mivantana amin’ny asa eny amin’ny saha any amin’ny tany sasany any Azia io sampana io, eo ambanin’ny fitarihan’ny Fitambara-mpitantana.

Nanao lahateny teo anatrehan’ny mpanatrika 61 323 tao amin’ny Kianja Iraisam-pirenena Yokohama i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ilay fivoriana manokana natao ny ampitson’ilay fitokanana. Nampifandraisina ny toerana 41 nanerana an’i Japon, ka nisy mpanatrika 269 376, tamin’ny fitambarany. Voafaoka tao amin’ilay fandaharana ny tatitra nataon’ny mpanatrika vahiny sy ny lahateny nataon’ny Rahalahy Jaracz momba ilay foto-kevitra hoe “Ampianarin’i Jehovah — Mahasoa Ankehitriny sy ho Mandrakizay”. Nampirisika mafy ny mpanatrika rehetra mba hanohy hanao fandrosoana ara-panahy ilay fandaharana.

BÉNIN: Saha mamokatra eo amin’ny lafiny ara-panahy io tany any Afrika Andrefana io. Misy mpitory ny vaovao tsara 6 343 any, ary mahery lavitra ny antsasany no natao batisa nandritra ireo taona 1990.

Notokanana tamin’ny 1 Janoary 2000 tao Abomey-Calavi, any Bénin, ny tranon’ny sampana vaovao sy ny Efitrano Fivoriambe vaovao iray ary ny tranon’ny misionera, mba hikarakarana an’ireo mpivavaka marina sesehena tsy mitsaha-mitombo isa ireo sy ireo any Niger. Nohararaotin’i Gerrit Lösch, anisan’ny Fitambara-mpitantana, io fotoan-dehibe io mba hanantitranterana hevi-dehibe roa: 1) Ny antony lehibe indrindra anompoantsika an’i Jehovah dia tsy noho ny fanantenantsika ny hahazo fiainana mandrakizay, fa noho ny fitiavantsika azy. 2) Vakio isan’andro ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Fampahatsiahivana tena mahasoa re izany!

MYANMAR: Notokanana tany Myanmar ny tranon’ny sampana vaovao, herinandro vitsivitsy taorian’ilay fitokanana tany Bénin. Efa niorina tany Myanmar tamin’ny 1947 ny biraon’ny sampana. Nahazo tany hanorenana trano sahaza ny Fikambanana tamin’ny 1977. Vato nisakana anefa izany tsy maintsy noresena izany! Mbola tsy afaka ny ho voasoratra ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, koa ahoana no nahafahany nahazo fanomezan-dalana hanorina? Tena nilaina ny nanafatra fitaovam-panorenana avy tany ivelany. Tamin’ny fomba ahoana anefa, satria mbola tsy nisy mihitsy fikambanana nahazo fanomezan-dalana toy izany? Toa tsy azo natao koa ny nanafatra rahalahy avy tany ampitan-dranomasina mba hanampy tamin’ilay fanorenana, satria ny tetik’asa nalamin’ny fitondram-panjakana ihany no nahazoan-dalana hiditra tao amin’ilay tany mba hanaovana asa toy izany. Mbola nanampy trotraka an’izany koa ny nitorian’ny vehivavy iray teny amin’ny fitsarana ka nihamboany ho tompon’ilay tany efa an’ny Fikambanana hatramin’ny 20 taona mahery. Tampoka teo anefa, dia niravona ireo olana. Niova avokoa ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana teo amin’ireo lafiny rehetra nisakantsakana. Ary rehefa nanomboka ny fanorenana, dia notsipahin’ny fitsarana ny fihamboan’ilay vehivavy izay nitady haka an’ilay tany.

Nalefan’ireo rahalahy tany Aostralia ho fanomezana ny ankamaroan’ireo fitaovam-panorenana; avy tany Malezia sy Singapour ary Tailandy ny fanampiny. Nisy rahalahy tonga avy tany Alemaina, Aostralia, Etazonia, Fidji, Grande-Bretagne, Gresy sy Nouvelle-Zélande mba hanampy tamin’ilay asa, ary nifarimbona tamin’izy ireo ny Vavolombelona teo an-toerana. Notokanana tamin’ny 22 Janoary 2000, nandritra ny fitsidihan’i John E. Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ireo trano vita, ary nahatsiaro ho voatery hilaza toy izao ireo mpanatrika: “Eny, zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika.” — Sal. 126:3.

Mahalaza tsara izay tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany izany, rehefa manao jery todika ny zava-nitranga tamin’ny taon-dasa izy ireo.

[Sary, pejy 6]

“Ny Faminanian’i Isaia — Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra”, nasehon’i Samuel Herd

[Sary, pejy 6]

Fampisehoana tantara ara-baiboly “Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika”

[Sary, pejy 8]

Faly ireo mpanatrika tany Hongria nahazo ilay Baiboly vaovao

[Sary, pejy 14]

Vavolombelona falifaly nivory tao amin’ny garazy iray tany Kosovo

[Sary, pejy 24]

Efitrano Fanjakana any Krake, Bénin — ny taloha sy ny ankehitriny

[Sary, pejy 27]

1) Myanmar, 2) Bénin, 3) Afrika Atsimo, 4) Japon