Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Curaçao

Tena kely ny fahitana an’ireo nosy Curaçao sy Aruba ary Bonaire, eo amin’ny sarintany, raha oharina amin’ireo kontinanta lehibe eo akaikiny. Misy olona avy amin’ny firenena sy kolontsaina maro anefa mipetraka any amin’ireo nosy ireo. Maro amin’ny mponina any amin’ireo nosy caraïbes ireo no faly manaiky ny Fanjakana marin’i Jehovah. Vakio ny fomba nandresen’ireo Vavolombelona be zotom-po ny zava-tsarotra nateraky ny tsy fitovian’ny kolontsaina sy fiteny, mba hampianarana ny fiteny madion’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Ukraine

Nanakotaba ny marainan’ny 8 Aprily 1951 ny firaondraonan’ny kamiaon’ny miaramila. Tonga tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Ukraine andrefana ny miaramila, ary nanome adiny roa ny fianakaviana tsirairay hangoronana entana, fa hanao dia izy ireo ary tsy ho tafaverina intsony ny ankamaroany. Maherin’ny 6 100 ny Vavolombelona nafatratra tao anatin’ny vagao mpitondra entana ary natao sesitany tany Siberia, tamin’io andro io. Anisan’ny ezaka nitohy nataon’ny Firaisana Sovietika natanjaka io, mba hampanginana izay rehetra sahy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Hampiorina ny finoanao ny herin’i Jehovah hanohana ny vahoakany, ny tantara mampientam-po ny amin’ny fomba niaretan’ireo Vavolombelona tany Ukraine ny fandrarana sy ny fanenjehana, nandritra ny 50 taona mahery.