Curaçao
Curaçao
Nosy ABC no iantsoana an’i Aruba sy Bonaire ary Curaçao. Eo ampitan’ny morontsirak’i Venezoela no misy ireo nosy kanto dia kanto ireo. Tsy toy ny an’ireo nosy caraïbes hafa ny hakantony, satria hakanton’ny tany efitra: mahalasa saina ny aloka any amin’ny alina, ary tena miavaka ny lokon’ny andro.
Maniry be atỳ, noho ny tsy fahampian’ny orana, ny raiketa goavana, ka ny kadushi no mpanjakany, ary hita hatraiza hatraiza izy io. Maniry be koa ny hazo divi-divi miavaka noho ny tendrony mivilana. Hita toy ny mpiambina mangina eny am-paravodilanitra, ireo tranon’ny toeram-pambolena lehibe, mampahatsiahy ny fanjanahan-tany. Mandehandeha eny ambanivohitra rehetra eny ny osy, ary mifalihavanja eny an-dalambe.
Ny fizahan-tany miroborobo no reharehan’i Aruba sy Bonaire, fa i Curaçao kosa miankina amin’ny vola ampidirin’ny fanadiovana solitany sy ny varotra an-dranomasina. Samy manana fitaovana ary fomba fanodinana ranomasina mba hahazoany rano fisotro sy herinaratra anefa ireo nosy ireo.
Tamin’ny taonjato faha-15 no nahitan’ny Espaniola an’ireo nosy ireo voalohany. Misy mponina 250 000 latsaka kely eto izao. Azon’ny Holandey izy ireo tatỳ aoriana, ary nisy fotoana kely nitondran’ny Frantsay sy ny Anglisy azy, nefa tafaverina tamin’ny Holandey indray izy ireo tamin’ny 1815. Nizaka tena momba ny raharaha anatiny ny Antilles néerlandaises, ahitana ireo nosy ABC sy ny telo amin’ireo Nosy Sous-le-vent,
nanomboka tamin’ny 1954. Nahazo sata manokana kosa i Aruba, tamin’ny 1986.Kolontsaina sy fiteny
Nisy fileferana ara-pivavahana tatỳ amin’ireo nosy ABC nandritra ny fitondran’ny Holandey. Katolika ny ankamaroan’ny mponina, nefa maro koa ny Protestanta. Misy maromaro mpanaraka ny Jodaisma koa eto Curaçao. Olona avy amin’ny firenena 50 eo ho eo no miara-monina tsara eto, tsy misy fanavakavaham-poko. Mbola manana ny mampiavaka azy ihany ny nosy tsirairay, na dia misy fiteny iray iombonan’izy ireo aza. Namaka tao anatin’izany fiaraha-monina izany ny fahamarinana ara-baiboly ary mbola miroborobo hatrany.
Mahay fiteny maro ny mponina ka mety hanadino ny fiteny iresahany, satria ara-dalàna aminy ny manovaova fiteny. Ny papiamento no tena fitenin-drazana, na dia ny teny holandey aza no fiteny ofisialy ary ampiasaina be eo amin’ny raharaham-barotra ny teny anglisy sy espaniola. Misy milaza fa niforona talohan’ny taonjato faha-17 tany amin’ny Nosy Cap-Vert, any andrefan’i Afrika, ny teny papiamento. Toby famaharan’ny Portogey ireo nosy ireo tamin’ny fotoana nanafihany tany Afrika.
Niforona àry ny teny kreôla vaovao, izany hoe teny afrikanina sy portogey mifangaro, mba hahafahan’ny Portogey sy ny Afrikanina hiresaka. Ny andevo nentina tatỳ amin’ireo nosy ABC no nitondra an’io fiteny iombonana io, tatỳ aoriana. Nanova tsikelikely azy io ny teny holandey sy espaniola sy anglisy ary frantsay, ka izany fiteny rehetra izany no nitambatambatra ho papiamento.Io fiteny iombonana noforonin’ny andevo sy nampidiriny tatỳ io no tena nahafahan’ny mponina nifandray tsara, ary nahatonga azy ireo ho tafaray. Nisy fiteny iombonana hafa nanjary nampiasaina koa anefa, dia ilay resahin’ny Zefania 3:9, manao hoe: “Amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny [na fitenin’ny] firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” Io molotra na ‘fiteny madio’ io no nampiray ny sasany tamin’ny mponina tatỳ, ka nandreseny ireo tsy fifanarahana ara-tsosialy sy ara-poko ary indraindray ara-pirenena. Tsy izay ihany anefa fa nampiray azy ireo tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany koa io fiteny madio io. Mahatonga fatoram-pitiavana mafy eo amin’ny rahalahy ny fiteny iombonan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na dia eo aza ny fiangonana miteny papiamento, na anglisy, na espaniola na holandey.
Niposaka ny fahamarinana
Tsy fantatra marina hoe ahoana no nambolena ny voan’ny fahamarinana voalohany tatỳ. Tsy hitahita akory dia niposaka ny fahazavan’ny fahamarinana ka nampisinda ny haizina nandrakotra an’ireo nosy ABC, nanjakan’ny Fivavahana Katolika hatramin’ny ela. Olona maromaro no nitory tatỳ, tamin’ny faramparan’ireo taona 1920 sy 1930. Nisy mpivaro-boky ara-pivavahana koa namafy tsy nahy ny voan’ny fahamarinana, satria nisy boky sy gazety novokarin’ny fandaminan’i Jehovah namidiny. Niara-nivarotra taminy i Pearl sy Ruby, zanany vavy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana. Mbola Vavolombelona hatramin’izao izy mirahavavy.
Ny Rahalahy Brown avy any Trinité, mpiasan’ny orinasa mpanadio solitany, no nanao batisa ny olona voalohany teto Curaçao, tamin’ny 1940. Olona dimy nampianariny ireo nataony batisa ireo, ka anisan’izany i Martin sy Wilhelmina Naarendorp ary Eduard van Marl, samy avy any Suriname.
Nitantara toy izao i Anita Libretto, zanaky ry Naarendorp: “Enin-taona aho tamin’ny 1940. Tsaroako fa nianatra niaraka tamin’ny anadahy iray niteny anglisy ny ray aman-dreniko. Tsy nahay afa-tsy teny holandey ry zareo, ary zara raha nahazo teny anglisy, nefa niezaka mafy ka natao batisa tao anatin’ny enim-bolana. Tao an-tranonay no natao ny fivoriana, na dia mbola tsy voalamina tsara toy ny amin’izao fotoana izao aza izany. Tamin’ny takariva no natao ireo fivoriana ary naharitra hatramin’ny misasakalina, satria niezaka mafy hahazo ny tao anatin’ireo boky tamin’ny teny anglisy ny ray aman-dreniko.” Natao tamin’ny teny anglisy indrindra indrindra ny fitoriana, satria tsy nahay niteny papiamento nisosa tsara ilay antokon’olom-bitsy, sady tsy nisy boky na gazety tamin’io fiteny io.
Tsy zatra namaky Baiboly ny olona teto an-toerana, satria noraran’ny Eglizy Katolika. Matetika no nalain’ny pretra izay Baiboly hitany. Nisy pretra iray nanaraka an’ireo rahalahy tamin’ny voalohany, ary tezitra be ka nikiakiaka hoe: “Avelaonareo ny ondriko!”
Nafafy tao Aruba sy Bonaire ny voa
Nitsidika an’i Aruba i John Hypolite, Advantista taloha, sy Martin Naarendorp tamin’ny 1943, ary nandany ny vakansiny Mpitoriteny 11:6, ary namafy voa maro be namaka sy nitsimoka tatỳ aoriana.
nitoriana ny vaovao tsara tany. Izy ireo no fantatra hatramin’izao fa nitory tany voalohany. Nanoratra tany amin’ny foibe, any Brooklyn ny Rahalahy Hypolite, rehefa tafaverina teto Curaçao, nangataka mpitory hanampy. Nisy misionera nalefa, telo taona tatỳ aoriana, saingy nampalahelo fa maty talohan’ny nahatongavan’izy ireo ilay rahalahy. Nisy rahalahy be herim-po toa an’i John Hypolite anefa avy eto Curaçao, ka nanaraka ny torohevitra ao amin’nyTonga tao Aruba tamin’ny 1944 i Edmund Cummings avy any Grenade sy Woodworth Mills avy any Trinité. Nahazo asa tao amin’ny orinasa mpanadio solitany tany Saint-Nicolas izy ireo. Any amin’ny tendrony atsinanan’i Aruba no misy an’i Saint-Nicolas, ka feno mpifindra monina avy any Antilles, tonga hiasa tao amin’ilay orinasa izy io. Nanampy tosika be dia be ny fitoriana ny Rahalahy Mills noho ny hafanam-pony nandaha-teny. Izy sy ny Rahalahy Cummings no namorona ny
fiangonana voalohany niteny anglisy tany Saint-Nicolas, tamin’ny 8 Martsa 1946. Nisy mpitory 11 tany ary ny Rahalahy Mills no mpikarakara ilay kompania (fiangonana).Tamin’ny 9 Jona 1946 no nisy natao batisa voalohany tany. Anisan’ireo efatra natao batisa i Timothy Campbell sy Wilfred Rogers, ary nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory tamin’ny faran’ny 1946. Nisy Vavolombelona nifindra monina nanatevin-daharana an’ilay fiangonana tatỳ aoriana, anisan’izany ireto fianakaviana ireto: ry Buitenman, ry De Freitase, ry Campbell, ry Scott, ry Potter, ry Myer, ry Titre, ry Faustin ary ny hafa koa.
Tena nahita vokatra tamin’ny fitoriana tsy ara-potoana ny Rahalahy Mills, ka anisan’ny nandray tsara i Oris, mpiara-miasa taminy. Natao batisa izy io tamin’ny Janoary 1947. Sady nahazo anabavy ara-panahy ny Rahalahy Mills, no nahazo vady, satria nivady izy sy Oris tatỳ aoriana. Nasaina hanatrika ny kilasy
faha-27-n’i Gileada ry zareo tamin’ny 1956, ary notendrena ho any Nizeria avy teo.Tany Saint-Nicolas no tena nitoriana tao Aruba hatramin’ny 1950, satria niteny anglisy ny ankabeazan’ny mponina tany, ary tsy nahay niteny papiamento firy ireo rahalahy. Tsy nisy olona avy tao Aruba nanaiky ny fahamarinana hatramin’io fotoana io. Nandrisika ny mponina sariaka hanohitra mafy ny Vavolombelona, ka nampiadana ny fandrosoana, ny fanoherana mafy avy tamin’ny Eglizy Katolika. Matetika taloha ny Vavolombelona no nenjehin’ny tompon-trano tezitra nitondra antsibe. Nisy rahalahy nolemana rano mahamay na nasaina nenjehin’ny alika. Indraindray koa, dia nampandrosoan’ilay tompon-trano ihany izy ireo, saingy nilaozany irery tao avy eo. Fomba fanambaniana vahiny izany atỳ.
Nitantara toy izao i Edwina Stroop, mpisava lalana ao Aruba: “Nampihorohoroin’ny pretra ny olona satria nolazainy fa hozoniny izy ireo raha tsy mivavaka ao aminy intsony.” Tsy nampihena ny zotom-pon’ireo rahalahy anefa izany, satria nanosika azy hiaritra ny fitiavany an’i Jehovah sy ny mpiara-belona.
Misy voa any amin’ny tany efitra, miandry orana ampy tsara mandritra ny am-polo taona, izay vao mitsimoka sy mamelana mahafinaritra. Toy izany i Jacobo Reina, mpiasan’ny
doanina tao Bonaire. Nahazo ny boky Famoronana izy tamin’ny 1928. Katolika ny fianakaviany, ary nandinika an’ireo fivavahana protestanta izy, nefa tsy nisy nahafa-po azy izany. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana, rehefa namaky an’ilay boky. Nisy lisitr’ireo boky navoakan’ny mpanompon’i Jehovah tao, saingy tsy afaka nahazo azy ireny i Jacobo. Rehefa nitsidika ny anabaviny teto Curaçao izy tamin’ny 1947, izany hoe 19 taona tatỳ aoriana, vao nahita misionera iray nampianatra an’io anabaviny io. Nanontaniany ilay misionera raha nanana ireo boky teo amin’ilay lisitra notehiriziny tao anaty poketrany nandritra ireo taona ireo. Nentiny avokoa izay tao anaty kitapon’ilay misionera, dia boky 7 sy bokikely 13, fara fahakeliny, ary nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa izy. Azony ihany ny sakafo ara-panahy efa niriny hatry ny ela. Eny, nahazo ny rano nilainy mba haniriana ilay voan’ny fahamarinana niandry nandritra ny taona maro.Misionera voalohany tonga teto Curaçao
Tonga teto Curaçao, faritany zara raha nitoriana, tamin’ny 16 May 1946, i Russell Yeatts sy Hazel vadiny, samy nahazo diplaoman’i Gileada kilasy fahenina. Tena nampandroso ny asa tokoa ny Rahalahy Yeatts, nandritra ireo 50 taona mahery niasany tatỳ, mandra-pahafatiny tamin’ny 1999. Saika izy hatrany no niandraikitra ny sampana tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 1994. Lehilahy falifaly sy be vazivazy izy, nijery lafy tsaran-javatra hatrany ary nanana finoana tsy azo nohozongozonina.
Nanana tombontsoa nahita ny fitaran’ny asa fitoriana ilay Fanjakana teto izy.Nanohana ny vadiny hatrany kosa i Hazel, ary mbola manao tsara ny asa nanendrena azy hatramin’izao, sady loharanom-pampaherezana ho an’ny rehetra. Tsaroany ny nahatongavan’izy mivady tao amin’ny seranam-piaramanidina, ka tonga nitsena azy ny Rahalahy Naarendorp sy Van Marl, niaraka tamin’i Clement Fleming, olona liana.
Marihina kely fa i Clement dia nahazo ny boky Ankizy ary namaky azy io, ka niaiky fa nahita ny fahamarinana. Niala tamin’ny Fivavahana Katolika izy tamin’izy mbola tanora, satria tsy nekeny ny ankamaroan’ny fampianarana tao. Nanomboka nifandray tamin’ny Vavolombelona izy taorian’izay, ka izany no naha teo azy mba hitsena an’ireo misionera voalohany. I Russell Yeatts, misionera vaovao, no nanao batisa azy tamin’ny Jolay 1946. Mbola mpitory ilay Fanjakana ny Rahalahy Fleming ary nilaza hoe: “Mbola manantena ny ho tafavoaka velona amin’ny Haramagedona sy hiditra ao amin’ny tontolo vaovao ka tsy ho faty mihitsy aho, na dia efa 93 taona aza.” Oha-pinoana sy fiaretana mahatalanjona re izany!
Hoy ny anabavy Yeatts: “Avy tany amin’ny seranam-piaramanidina izahay dia nentina tany amin’ny trano iray nisy efitra roa, tao ambony rihan’ny fivarotana rambon-kisoa sy lamôria maina. Sady tsy nisy fanaka no tsy nisy efitra fandroana ilay trano, ka voatery tao ambany rihana izahay no nandro nandritra ny enim-bolana, mandra-pahitanay trano tsaratsara kokoa.” Tsy kivy mihitsy izy mivady na dia voan’ny aretim-pivalanana matetika aza i Hazel. Nanoratra toy izao ny Rahalahy Yeatts, taona maro tatỳ aoriana: “Tsy ny toe-piainana, na ny toerana manodidina, na ny fiteny akory aza no mahatonga ny fiainana hahafinaritra, indrindra fa ho an’ny mpanompon’i Jehovah, fa ny olona. Ary misy olona foana any amin’ny toerana rehetra anendrena anao.”
Sady tsy maintsy nampianatra ny fiteny madion’ny fahamarinana teto Curaçao ireo misionera be herim-po ireo, no nianatra ny fiteny papiamento nampiasaina teto koa. Anisan’ny nampianariny i Camilio Girigoria, voalohany avy teto an-toerana natao batisa tamin’ny 1950. Mpiasan’ny orinasa mpanadio
solitany izy ka nahalala ny fahamarinana rehefa niresaka tamin’ny rahalahy maromaro, anisan’izany i Henricus Hassell, mpitory mafana fo. Anti-panahy i Camilio, 78 taona izy izao, ary nanampy olona 24 ho tonga tamin’ny fanoloran-tena. Efa tamin’ny 1946 no nanorina ny fiangonana voalohany niteny anglisy teto Curaçao ny misionera, fa tamin’ny 1954 kosa vao nisy ny fiangonana niteny papiamento.Mahita ny fahazavan’ny fahamarinana hatrany i Aruba
Tonga tao Aruba tamin’ny Jolay 1949 i Henry sy Alice Tweed, Kanadianina avy tamin’ny kilasy faha-12-n’i Gileada, ary nanana anjara asa lehibe teo amin’ny fampianarana ny fiteny madio tany. Lava manify ary tsara fanahy i Henry. I Alice kosa be vazivazy ary manana tanjaka tsy mety lefy ho an’ny fanompoana. Izy mivady no hany misionera nipetraka sy niasa tatỳ amin’ireo nosy telo, ary mbola tsaroana tsara, taona maro tatỳ aoriana, noho ny fahafoizan-tenany sy ny zotom-pony.
Voatendry hiasa teto Curaçao tamin’ny 1950 i William Yeatts (zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Russell) sy Mary vadiny, samy nahazo diplaoman’i Gileada kilasy faha-14. Nankao
Aruba izy ireo tamin’ny 1953. Mbola any foana izy ireo, efa ho 50 taona atỳ aoriana, ary oha-pinoana sy fiaretana tsara dia tsara. Niavaka noho ny zotom-pony tamin’ny fanompoana i Mary rehefa nandeha ny fotoana. Loha laharana foana tamin’ny asa fitoriana izy, fa i Bill kosa nifantoka tamin’ny fandikana boky sy gazety ara-baiboly. Tsy nahataona olona firy ireo fiangonana roa niteny anglisy, talohan’ny nahatongavan’i Bill sy Mary. Naneho faharetana sy nampiasa fomba tsara izy mivady, ka nanomboka namafy voan’ny fahamarinana teo amin’ny mponin’i Aruba niteny papiamento. Novalian-tsoa tsikelikely ny ezaka nataony. Izao no nolazain’i Bill: “Nanomboka nanao ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana teo ambany hazo kwihi, tao an-tokotanin’ny tranon’ny misionera izahay. Nahatratra 100 ny mpanatrika indraindray. Dabilio efa narian’ny fiangonana katolika no nipetrahanay.” Natao ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1954, ary nisy Fianarana Boky tamin’ny fiteny papiamento nanomboka natao taorian’izay.Ny olona voalohany avy tao Aruba nianatra ny fahamarinana
Fony izy tovolahy, dia fanaon’i Gabriel Henriquez, ny niboboka toaka tamin’ny faran’ny herinandro, hany ka tsy nipoitra tany amin’ny orinasa mpanadio solitany izy isaky ny alatsinainy
maraina. Tian’ny lehibeny hanatsara ny fomba fiainany i Gabriel, ka nanaovany famandrihana fanomezana tamin’ny Mifohaza!, na dia tsy nino an’Andriamanitra aza io lehilahy io. Nino mantsy izy fa hanampy an’i Gabriel izany. Nifandray tamin-dry Tweed, nampianatra Baiboly ny rafozan-dahiny i Gabriel, tatỳ aoriana. Izy no nandika teny satria tamin’ny fiteny espaniola ilay boky nianaran’io rafozany io. Tsy ela dia nitombo ny fahalianan’i Gabriel, hany ka nanomboka nampianatra azy i Bill sy Mary Yeatts tamin’ny 1953. Hoy izy: “Ela ny ela ka voavaly ny fanontaniako rehetra.” Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy tamin’ny 1954, ka izy no olona voalohany avy tao Aruba natao batisa.Niorina tamin’ny 1956 ny fiangonana voalohany niteny papiamento nisy mpitory 16, ary mpitory 26 no namerina tatitra tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1957. Manjary tia ny fahamarinana sy mazoto mitory ny mponin’i Aruba raha vao hitany ny fampianaran-dison’i “Babylona Lehibe” ary resiny ny tahotra olona. (Apok. 17:5) Anisan’izany i Daniel Webb. Nanaiky ny fahamarinana izy sy Ninita vadiny, izay nanohitra tamin’ny voalohany, ary samy lasa mpitory ilay Fanjakana mafana fo. Hanahaka azy ireo ve ny olon-kafa?
Olon-kafa maro no nianatra ny fahamarinana sy namela ny fiainany sy ny an’ny mpianakaviny hovolavolain’izy io, toa an’i Daniel. Anisan’ny olona nanomboka nianatra i Pedro Rasmijn. Rehefa tonga tao an-trano izy indray andro, dia hitany fa nopotehin’i Maria, reniny, Katolika nafana fo, ny boky fianarany. Mbola tsy nitafy ny toetra vaovao anefa i Pedro, ka
namotika ny sary masin-dreniny, mba hamaliana faty. Tezitra i Maria ka nitaraina tamin’ny mompera, izay nilaza fa marina ny an’i Pedro raha nihevitra ireny sary ireny ho tsinontsinona! Tafintohina izy ka nandroaka ilay pretra ary tapa-kevitra ny hamotopototra momba ny Baiboly. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah i Maria sy Genaro vadiny, vokatr’izany. Samy manompo an’i Jehovah izy ireo sy ny zanany 11 sy ny zafikeliny 26 ary ny zafiafiny iray, izany hoe olona 40 amin’ny fitambarany!Natao batisa i Daniel van der Linde, vinantolahin’i Maria na dia narian’ny ray aman-dreniny tsy ho zanany aza izy. Noroahina tao an-trano izy ary nokapohin’ny pretra, nefa niaritra satria nino izy fa nanana ny fahamarinana. Mihevitra izy fa notahin’i Jehovah, na teo aza izany fanoherana izany, satria nampiasain’i Jehovah hanampy olona maro hianatra ny fahamarinana. Mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-tenin’ny Betelan’i Curaçao, mody isan-kariva i Prisquela zanany vavy, sy Manuel vadin’io. Tsy maintsy naneho finoana lehibe an’i Jehovah sy ny fampanantenany hanohana ny mpanompony koa i Tony vinantolahiny hafa, Marka 10:29, 30.
satria narary ary tsy maintsy nodidiana indimy. Hoy i Tony: “Tsy nanantena ahy ho sitrana intsony ny dokotera, nefa nivavaka hatrany tamin’i Jehovah aho mba hahazo hery. Hitan’ny mpiray tam-po amiko, izay azo lazaina hoe efa nahafoy ahy, fa manana rahalahy ara-panahy an’arivo aho maneran-tany.”—Fandrosoana teto amin’ireo nosy ABC
Tamin’ny 1965, dia voatery nandao an’i Curaçao i Albert Suhr, nahazo diplaoman’i Gileada kilasy faha-20, satria tsy salama, nefa namela “epistily filazan-tsoa” tsara dia tsara teto izy. (2 Kor. 3:1, 2) Anisan’izany i Olive Rogers, lasa mpisava lalana maharitra tamin’ny Septambra 1951. Nanao tokantranomaso nandritra ny 17 taona i Olive. Nilaozany anefa ilay lehilahy rehefa fantany ny fitsipika ambonin’i Jehovah, ka izay vao nikoropaka nilaza ny hisoratra taminy. Tsy nety intsony i Olive, ka natao batisa sy nanatevin-daharana ny mpisava lalana, efa hatramin’ny 40 taona, mandra-piharatsin’ny fahasalamany. Hita hatraiza hatraiza ny Anabavy Rogers, niasa tamim-pifaliana ny faritaniny. Mitantara zavatra mampahery momba azy ny olona ankehitriny. Tsy mety kivy sy tena be fikirizana izy ka afaka nanampy olona maro, nisy fianakaviana manontolo mihitsy, mba hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah.
Misy fianakaviana maro be miasa mafy, manompo an’i Jehovah izao, eto amin’ireo nosy Antilles sy ao Aruba. Fototra mafy iorenan’ny fiangonana izy ireny, anisan’izany ry Martha, ry Croese, ry Dijkhoff, ry Rasmijn, ry Liket, ry Faustin, ry Ostiana, ary ry Roemer sy ny fianakaviany avy.
Nanomboka nampianarin’i Jehovah i Eugene Richardson, lehilahy sariaka, teo amin’ny faha-15 taonany. Tsy nianatra Baiboly toy ny mahazatra izy, nefa nandroso tsara rehefa nanatrika ny fivoriana rehetra, ka natao batisa teo amin’ny faha-17 taonany. Voatendry ho mpisava lalana maharitra izy tamin’ny 1956, ary tojo izay noheveriny ho olana lehibe, dia ny tsy fananany fitaovam-pitaterana. Hoy izy: “Nisy 20 kilaometatra avy tao an-trano ny faritaniko, ka mba hamahana ny olana momba ny fitaterana, dia natakaloko bisikileta ny pianôko. Kivy ratsy ny fianakaviako rehefa nahita izany, ka mbola miresaka an’izany foana 40 taona tatỳ aoriana. Tena nanampy ahy anefa ilay izy, indrindra fa satria voatendry ho mpisava lalana manokana tany Banda Abao, faritany tsy nisy tompony, aho, efa-bolana taorian’izay.”
Nanokatra faritany vaovao
Any andrefan’i Curaçao no misy an’i Banda Abao, ambanivohitra fantatra atỳ amin’ny hoe kunuku, ary mahafaoka efa ho ny antsasaky ny nosy. Mikitoantoana ary somary maitso kokoa noho ny faritra hafa eto Curaçao izy io. Feno trano mitsitokotoko ilay faritany ka ela be vao vita ny asa. Niara-niainga mba hanokatra io faritany vaovao io i Eugene sy Clinton Williams, tanora mpisava lalana nazoto toa azy. Hoy i Eugene: “Sarotra ilay faritany raha oharina amin’ny hafa, satria tena sariaka ny mponina ary nahafinaritra be ny niresaka taminy, saingy matetika no tsy nitohy ny fahalianana. Roa taona anefa no niasanay tao, ary maro ny zavatra nahafinaritra hitanay. Tamin’ny volana voalohany nahatongavanay, dia nisy lehilahy iray nilaza tamiko fa ho lasa Vavolombelona izy raha voaporofoko
fa niorina tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary lasa Vavolombelona tokoa izy sy ny vady aman-janany. Tatỳ aoriana kokoa, dia nisy vehivavy tafaresaka tamiko, nilaza fa tena liana tamin’ny Baiboly ny zana-drahavaviny. Niverina ny harivan’iny ihany aho mba hitory tamin’ilay olona. Ciro Heide no anarany.”Toy izao no fitantaran’i Ciro, lehilahy sariaka, an’ilay izy: “Katolika tena nafana fo aho ary nahay tsara ny katesizy, ka nampianatra azy io tany am-pianarana. Nisy zavatra nahavery hevitra ahy foana anefa, dia ity: Tsy azoko hoe nahoana no lazaina fa nanao fahotana mahafaty ny olona raha tsy niangona, ary ho lasa any amin’ny afobe raha tsy nikonfesy haingana. Tonga teo am-baravaranay, indray andro, ny tovolahy iray nitaingina bisikileta ary niresaka momba ny Baiboly tamin’ny nenitoako. Fantany fa liana tamin’ny fivavahana aho, ka nasainy niverina tamin’ny fotoana naha tao an-trano ahy ilay tovolahy. Tsy andriko izay hihaonana taminy, satria noheveriko fa nahalala bebe kokoa momba ny fivavahana noho izy aho. Tonga tao aminay iny takariva iny ihany i Eugene. Tsy nahateny aho rehefa nohazavainy fa hay ilay fanekem-pinoana nataoko tsianjery isan’andro nilaza fa nankany amin’ny afobe i Jesosy. Tsy azoko akory izay dikany satria nataoko piliavava fotsiny ilay
izy. Fa ity no nahagaga ahy indrindra: Nampiasa Baiboly i Eugene mba hanazavana ny zavatra rehetra, fa izaho kosa tsy nahita na dia andinin-teny iray monja aza. Niova tanteraka ny fiainako nanomboka teo, satria nanomboka nianatra avy hatrany aho.” Natao batisa i Ciro na dia nanohitra aza ny vadiny. Nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah koa anefa io vadiny io, tatỳ aoriana, noho ny ohatra tsara nomen’i Ciro. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana nandritra ny 30 taona izao izy ireo, ary anti-panahy efa nandritra ny 25 taona i Ciro.Nanatrika ny Sekolin’i Gileada i Eugene tamin’ny 1958 ary voatendry hiasa tao Banda Abao indray, ary mbola nisy ihany ny olana ara-pitaterana. Mitantara toy izao izy: “Rahalahy 13 izahay indraindray no nitory, nefa iray monja ny fiara, dia ny fiarako. Tsy maintsy nandeha 30 kilaometatra nandroso sy niverina indroa izahay tamin’izany. Nateriko tany amin’ny faritany aloha ilay antoko-mpitory voalohany, avy eo dia niverina haingana aho naka ny faharoa. Izany koa no nataoko tamin’ny hariva mba hitondrana ireo rahalahy hody. Nanompo manontolo andro anefa izahay. Namizana ilay izy nefa tena nahafaly!” Nanana tombontsoa nanao fitetezam-paritany nandritra ny taona vitsivitsy koa i Eugene.
Fiovana tao amin’ny kunuku
Tamin’ny 1959, dia nanohy ny asa tao amin’ny kunuku i Clinton Williams, izay nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada
koa. Nanambady an’i Eugenie, mpisava lalana nazoto, izy. Tsara fanahy ilay anabavy ka mamy hoditra tamin’ny olona. Niforona tamin’ny 1970, tao amin’ny tanànan’i Zorgvliet bij Jan Kok ny fiangonana iray nisy mpitory 17, ary natao tao an-tranon-dry Pieters Kwiers ny fivoriana. Niezaka mafy hampiorina ilay fiangonana i Juana Pieters Kwiers sy Esther zanany vavy, samy mpisava lalana manokana, sy ry Minguel sy ry Koeiman mianakavy. Nitombo ilay fiangonana ka nisy mpitory 76 sy mpivory 125, tamin’ny 1985. Natosiky ny fitiavana ny rahalahy avy tany Etazonia, ka nirotsaka an-tsitrapo hanorina Efitrano Fanjakana tao Pannekoek, tamin’io taona io, ary nanova an’ilay Efitrano teo aloha ho tranon’ny misionera. Nahatratra 142 ny isan’ny mpitory tao anatin’ny roa taona, hany ka niforona ny Fiangonana Tera Corá, tamin’ny 1987.Nanahirana foana ny nahita trano nipetrahan’ny mpisava lalana, ary tadidin’i Eugene fa voatery nanavao trano tsy nisy nampiasa taloha ary efa nipetrahan’ny osy, izy ireo. Herinandro maromaro vao afaka tanteraka ny fofona. Sakafo ankafizin’ny olona atỳ ny henan’osy. Nahazatra àry ny nahandro osy hatao sakafo tamin’ny fivoriambe, nandritra ny taona maro, ka faly erỳ ny rahalahy nihinana henan’osy nasiana zavamanitra mampahatsiro azy. Efa simba anefa ny hena indraindray ka maro no voatery nankany an-kabine.
Tian’i Russell Yeatts ny nilaza ny tantaran’ny osy iray nantsoina hoe Mimi. Nihinana Baiboly telo, fihirana maromaro sy boky hafa koa ary gazety maro i Mimi indray mandeha. Hoy i Rita Matthews tompony: “Maro loatra ny boky sy gazetintsika nohanin’izy io ka nantsoinay hoe osy masina izy.” Namidy i Mimi.
Mampitombo ny fifankatiavana sy firaisan-tsaina ny fivoriambe
Nanahirana matetika ny nahita toeram-pivoriana nety, indrindra fa ny hanaovana fivoriambe. Nandamina ny fanorenana
Efitrano Fanjakana voalohany ho an’ny rahalahy tao Buena Vista, eto Curaçao, i Max Garey, anisan’ny kilasy fahadimin’i Gileada. Niasa tamin’ny fony manontolo mba hanorenana azy io ireo rahalahy, hany ka nientam-po rehefa vita ilay izy. Niforona teto Curaçao tamin’ny 1961 ny fiangonana faharoa niteny papiamento, ary tao amin’ilay efitrano vaovao kanto no nivorian’izy ireo, ka i Victor Manuel, mpitory efa hatramin’ny 50 taona, no mpikarakara ny fiangonana. Notokanan’i Nathan Knorr avy tany amin’ny Betelan’i Brooklyn io efitrano io, tamin’ny 28 Martsa 1962.Narenina ilay tany teo akaikin’ny efitranon’i Buena Vista, tamin’ireo taona 1970, ka nolalorina rihibato sy nananganana
lampihazo. Teo no nanaovana ireo fivoriambe nandritra ny taona maro, ary tsy nisy olana na dia tsy nitafo aza ilay toerana, satria tsy dia misy orana eto Curaçao. Avy tampoka anefa ny orana indraindray, ka lena ny akanjo sy ny bokin’ireo rahalahy, nefa tsy nahakivy azy ireo izany. Novelariny fotsiny ny elony ary nihaino tsara indray ny fandaharana izy ireo. Natao tamin’ny fiteny roa ireny fivoriambe ireny taloha, ka ny lahateny sasany natao tamin’ny teny anglisy ary nadika, fa ny sisa nofintinina tamin’ny teny papiamento. Nifandimby nanaovana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra i Aruba sy Curaçao, ka nisy nanofa fiaramanidina ireo mpanatrika ary nisy kosa nandeha sambo, mba handehanana tany. Tsy nahazaka sambo ny ankamaroan’ny mpamonjy fivoriambe nandeha tamin’ny sambo Niagara, indray mandeha. Tsy nampihena ny risi-pony ho amin’ilay fanasana ara-panahy niandry azy ireo anefa izany.Tsaroan’i Ingrid Selassa, 16 taona tamin’izany, fa nivarotra kisoa ny renibeny mba handoavana ny saram-pitaterana. Nilasy tany amin’ny rahalahy ireo solontena, ary natory tamin’ny tany mihitsy aza. Niforona ny fisakaizana naharitra ary nanjaka ny fifaliana noho ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina. Natao tamin’ny 1959 tao Santa Cruz, any Banda Abao, ny fivoriambe voalohany tamin’ny teny papiamento. Izao no tsaroan’i Ingrid: “Nofenoinay sakafo sy fandriana azo ahorona ary fitaovana hafa ny bisy, dia niainga ho any amin’ny fivoriambe izahay. Sakafo ara-panahy natsiro ilay izy, ary ny takariva, dia teny an-kalamanjana izahay no nanao kilalao ara-baiboly sy hiran’ilay Fanjakana. Tsy hohadinoiko mihitsy ireo telo andro tany, nahatsapanay fa tena anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy izahay.” Nampitombo ny fitiavana sy ny firaisan-tsain’ireo rahalahy koa ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena nanatanjaka finoana, toy ilay hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany” tamin’ny 1969.
Efitrano Fivoriambe vaovao
Nanjary kely loatra ilay toerana tao Buena Vista, rehefa nandeha ny fotoana. Afaka nividy tany tamin’ny orinasa mpanadio solitany anefa ireo rahalahy, satria nanome vola betsaka ireo fiangonana. Nisy trano nohavaozina tany amin’ny faritr’i Schelpwijk, ka tao indray no nanaovana ireo fivoriambe nandritra ny taona maro. Nekena vao haingana ny handravan’ny sampana azy io sy hanorenana Efitrano Fanjakana roa, sady azo atao Efitrano Fivoriambe mahazaka olona 720 koa. Tena nahafaly an’ireo rahalahy izany.
Efitrano nohofana no nanaovana fivoriambe tao Aruba talohan’ny 1968, nefa noho ny fitomboana, dia nilaina ny Efitrano Fivoriambe. Notapahina àry ny hevitra fa hanorina
Efitrano Fanjakana lehibe ho azo anaovana fivoriambe. Niasa mafy sy nahafoy tena ireo rahalahy teo an-toerana, ka nahatsangana efitrano tsara tarehy mba hiderana an’i Jehovah, tamin’ny 1968. Nisy taretra avo maromaro nanakona an’ilay efitrano, nandritra ny fanorenana. Nasain’ny fanjakana notapahina anefa ireo taretra, herinandro talohan’ny fivoriambe voalohany natao tao. Andray, toy ny hoe nipoitra tampoka teo ilay efitrano! Noheverin’ny olona ho fahagagana ilay izy, ary maro no nino fa tena niorina vetivety teo tokoa ilay izy. Tena nitranga izany tatỳ aoriana, rehefa natomboka ny fanorenana efitrano vita haingana.Nanomboka ny asa tao Bonaire
Nitsidika an’i Bonaire i Joshua Steelman, solontena manokan’ny foibe any Brooklyn, tamin’ny 1949. Efa mpitory nazoto tao tamin’izay i Jacobo Reina sy Matthijs Bernabela, tantsaha. Samy tsy nisy vita batisa izy ireo. Natao ny fandaharana mba hisian’ny lahateny ho an’ny besinimaro voalohany tany. Olona 100 teo ho eo no tonga, nefa 30 monja no niditra tao amin’ny efitrano. Olona nalefan’ny pretra teo an-toerana hanakorontana ilay fivoriana ny 70 hafa. Hoy i Russell Yeatts indray mandeha: “Niraraka teo amin’ny tafo fanitso toy ny havandra tany Ejipta ny vato. Nipoaka ny tsipoapoaka ary nively daba ny olona.” Sasa-poana anefa izy ireo satria voafafy ny voan’ny fahamarinana ary namaka. Natao batisa teto Curaçao, ny taona nanaraka, i Jacobo sy Matthijs, Vavolombelona voalohany tao Bonaire.
Nandamina fivoriana tao an-tranon’ny Rahalahy Bernabela i Russell sy Bill Yeatts, tamin’ny 1951, ary notendrena hankao Bonaire i Clinton Williams mba hanorina fiangonana vaovao tao amin’ny trano nohofana tao Kralendijk, tamin’ny 1952. Nahatezitra mafy ny pretra izany, ka notadiaviny horoahina izy. Nampirisihin’ilay pretra ny vehivavy iray nampianarin’ny Rahalahy Williams Baiboly mba hanendrikendrika an’
ilay rahalahy ho nitady hanao firaisana taminy. Tsy nety nanao izany anefa ilay vehivavy. Diso fanantenana ilay pretra ka nantsoiny hoe wara-wara, vorona mpiremby atỳ, ny Rahalahy Williams ary nendrikendrehiny ho nipaoka ny ondriny. Nampian’ny fanahin’i Jehovah anefa ny Rahalahy Williams ka nanohy nanatanjaka ilay fiangonana vaovao, mandra-pahatongan’ny fanendrena azy ho eto Curaçao indray. Natao tamin’ny 1954 ny fivoriamben’ny faritra voalohany, ary nanomboka teo dia nandray anjara lehibe teo amin’ny fiainana ara-panahin’ireo rahalahy tao Bonaire, ireo fivoriambe. Nirohotra nijery ny sarimihetsika novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny olona ka nanjary liana, nefa kely ny fandrosoana mandra-pahatongan’ny mpisava lalana manokana roa, dia i Petra Selassa sy Ingrid, zanany vavy, tamin’ny 1969.Tsy nanana fiara izy mianaka fony vao tonga, nefa nandeha an-tongotra izy mba hitoriana saika nanerana an’ilay nosy. Maro ny olona nampianarin’izy ireo natao batisa. Nitarika ny fivoriana rehetra ireo anabavy roa ireo, ka nipetraka sy nisaron-doha izy ireo rehefa nanao izany. Nisy rahalahy nandeha fiaramanidina avy eto Curaçao nankany amin’izy ireo isam-bolana, mba hiara-miasa taminy sy hanao lahateny ho an’ny besinimaro. Rehefa voatery nandeha i Petra tatỳ aoriana, dia tonga i Claudette Tezoida, mpisava lalana manokana, ary
niaraka tamin’i Ingrid nanohy nanampy olona hianatra ny fahamarinana.Nahita fanjakana tonga lafatra ny vadin’ilay mpanao politika
Anisan’ireo nianatra ny fiteny madio ny vadin’ny mpanao politika malaza iray. Vadina minisitra tao amin’ny governemanta tao Bonaire i Caridad Abraham, antsoin’ny rehetra amim-pitiavana hoe Da. Nafana fo tamin’ny politika koa ny zanany mirahalahy sy ny vinantolahiny. Nazoto nanao fampielezan-kevitra ho an’ny vadiny koa i Da, ka be mpahalala sy nohajaina. Nisy pasitera, mpiantoka ny zanany iray tamin’ny batisa, nilaza taminy fa tsy mino an’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nino izany resaka tsy marina izany i Da satria sady namany no pasitera ilay lehilahy.
Nifindra tany Holandy i Da rehefa maty ny vadiny. Tafintohina izy tany nahita pasitera roa lahy niaiky ampahibemaso tao amin’ny televiziona fa lehilahy miray amin’ny lehilahy ry zareo. Diso fanantenana tamin’ny fivavahana izy ka tsy niangona intsony. Nanaiky hianatra Baiboly izy tatỳ aoriana, ka lasa Vavolombelona ary niverina tao Bonaire. Hoy izy: “Tena
zava-dehibe ny fahamarinana ka tsy maintsy nody aho mba hampahafantatra izany amin’ny mpiray tanindrazana amiko.” Tsy ny fitondran’olombelona intsony tamin’izay no nambarany fa hamaha ny olan’i Bonaire, fa ilay tena vahaolana maharitra kosa, dia ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy. Nino ny olona fa tonga hanao fampielezan-kevitra ara-politika ho an-janany izy, ka noraisin’izy ireo tsara ary gaga izy ireo nandre ny hafatra nentiny. Noho i Da be mpahalala koa, dia nanomboka nihaino tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana na dia ny olona tsy ho nihaino Vavolombelona hafa aza.Boky sy gazety amin’ny fiteny eto an-toerana
Manohina haingana kokoa ny fo ny fahamarinana raha afaka mamaky boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fitenin-drazany ny olona. Mbola tsy nisy boky na gazety tamin’ny teny papiamento anefa rehefa tonga ireo misionera voalohany. Notarihina tamin’ny teny anglisy sy papiamento natao vary amin’anana ireo fivoriana. Boky sy gazety tamin’ny teny anglisy sy espaniola ary holandey no nampiasaina, ka sahirana be ireo rahalahy vao nahatakatra ny fahamarinana. Tena nilaina àry ny fandikana ireo boky sy gazety. Tsy ampy anefa ny voambolana papiamento, tsy nisy ny diksionera, ary tsy nisy olona nitovy hevitra ny amin’ny fitsipi-panoratana an’io fiteny io. Izao no nosoratan’i Bill Yeatts, za-draharaha tamin’ny fandikan-teny, taona maro tatỳ aoriana: “Rehefa namoaka ny hafatra momba ilay Fanjakana izahay dia voatery nilaza sy nanoratra zavatra mbola tsy nolazaina na nosoratana tamin’ny fiteny papiamento mihitsy. Sarotra be ny nanorina ny fitsipika tokony harahina.” Tena tsy mora tokoa izany asa izany! Nandika ny bokikely voalohany hoe Ny Fifalian’ny Olona Rehetra ireo rahalahy, tamin’ny 1948. Voadika tamin’ny 1959 koa ny “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.” Nisy boky hafa nadika koa taorian’ireo, ary nadika tsy tapaka ny Toren di Vigilancia na Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny papiamento, sy ny Spierta, na Mifohaza! Nihanalefaka ny fangejan’ny fivavahana ny olona, rehefa nanomboka namaky sy nahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny fitenin-drazany izy ireny.
Nisy akony teo amin’ny hira tany am-pivoriana koa ny fandikan-teny. Mavitribitrika sady mafy ny feon’ny olona avy eto Isaia 42:10.
Antilles rehefa mihira. Tsy afaka nanao toy izany anefa izy ireo teo aloha, satria tamin’ny teny espaniola ny fihirana. Nanako tao amin’ireo efitrano tokoa ny feo mafy sy nazava rehefa nahazo fihirana tamin’ny teny papiamento ireo rahalahy tamin’ny 1986. Ela ny ela ka afaka namoaka tsara tamin’ny hira ny fihetseham-pony momba an’i Jehovah, Andriamaniny lehibe, izy ireo. Hoy i Maria Britten: “Ny hira no nanohina ny foko indrindra fony aho tonga voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Kanto erỳ ilay izy ka nirotsaka ny ranomasoko.”—Nilaina ny mpandika teny maro kokoa satria nitombo ny asa. Nanomboka ny asa fandikan-teny àry ny mpisava lalana roa, tanora sy be zotom-po, dia i Raymond Pietersz sy Janine Conception. Sivy izao no ao anatin’ny ekipan’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny. Tonga tamin’ny 1989 ny ordinatera nampiasa ny programa MEPS. Fitaovana sarobidy manampy ny mpandika teny izy io, mba hahafahana hamoaka Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny papiamento miaraka amin’ny teny hafa. Nampandroso be ny asa fitoriana izany.
Misionera maro kokoa
Tamin’ny 1962, dia voatendry ho mpiandraikitra ny sampana hisolo an’i Russell Yeatts, izay nanatrika indray ny Sekolin’i Gileada, i John Fry, avy amin’ny kilasin’i Gileada faha-37. Nanohy ny asan’ny sampana indray ny Rahalahy Yeatts, herintaona sy tapany tatỳ aoriana, rehefa bevohoka
ny Anabavy Fry, ka niverina tany Angletera izy mivady. Tonga teto i Age van Dalfsen avy any Holandy, ny 31 Desambra 1964, rehefa nahazo ny diplaoman’i Gileada kilasy faha-39. Raha vao nigadona teto Curaçao izy, dia ny afomanga nitsefotra sy ny tsipoapoaka nankarenin-tsofina, tamin’ny alina, no nitsena azy. Tsy fiarahabana tonga soa azy anefa izany, fa zavatra fanaon’ny olona eto an-toerana isan-taona kosa, mba handroahana ny fanahy ratsy sy ny vintan-dratsy nentin’ny taon-dasa ary hiarahabana ny taom-baovao. Mpiandraikitra ny faritra sy ny vondrom-paritra, tatỳ aoriana, ny Rahalahy van Dalfsen, tovolahy navitrika. Toy ny ankamaroan’ny misionera, dia nanjary tia ny fonenany vaovao izy, ka nilaza hoe: “Maneho fitiavana sy mahay mandray vahiny, ary tsotra ny olona, ka sady fifaliana no tombontsoa ny hoe voatendry hiasa eto.”Nanambady an’i Julie, anabavy avy any Trinité i Age tamin’ny 1974, ary niara-nanao fitetezam-paritany ry zareo. Nitantara toy izao i Julie: “Tena nanaitra ahy ny fahaizan’ny olona
misariaka sy mandefitra. Tsy nahay niteny papiamento aho, nefa nampian’izy ireo ka lasa nahafinaritra ahy ny fitoriana. Mora ny nanontany hoe ‘Con ta bai?’ (Manahoana ianao?) sy nanontany ny fahasalaman’ny mpianakavy rehetra araka ny fomba atỳ. Mora koa ny nametraka boky sy gazety. Ny sarotra dia ny fivimbinana kitapo feno boky sy gazety tamin’ny fiteny efatra sy ny fiadiana tamin’ny vovoka sy ny rivotra! Tena fifaliana ho ahy anefa izany.” Lasa tany Holandy i Age sy Julie tamin’ny 1980, mba hikarakara ny rain’i Age voan’ny aretin’i Alzheimer, nefa niverina teto Curaçao indray ry zareo tamin’ny 1992.I Robertus Berkers sy Gail vadiny, avy amin’ny kilasin’i Gileada faha-67 no nanohy ny fitetezam-paritany nandritra ny tsy naha teo an-dry Van Dalfsen, ary nandrisika ny mpitory mba hanao ny fanompoana manontolo andro. Tonga teto Curaçao avy tany Gileada i Otto Kloosterman sy Yvonne vadiny tamin’ny 1986, ary voatendry ho mpandrindra ny sampana ny Rahalahy Kloosterman tamin’ny 1994. Niverina tany Holandy izy ireo tamin’ny 2000. Voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana ny Rahalahy van Dalfsen tamin’ny Martsa 2000, ka nasaina hanompo eto amin’ny Betela izy mivady, ary mbola eto izy ireo ankehitriny. Voatendry ho eto Curaçao, ho Betelita manompo ivelan’ny taniny, i Gregory Duhon, avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Sary tany Brooklyn, sy Sharon vadiny, tamin’ny 1997. Nanampy be dia be tamin’ny fikarakarana ny Rahalahy Russell Yeatts izay voan’ny kansera mafy i Sharon, mpitsabo mpanampy za-draharaha, sy ny hafa koa. Voatendry ho mpandrindra ny sampana ny Rahalahy Duhon tamin’ny Martsa 2000, ary tena tian’ny rehetra izy satria sady tsara fanahy no mora hatonina. I Gregory Duhon, sy Clinton Williams, ary Age van Dalfsen izao no ao amin’ny Komitin’ny Sampana.
Mitondra valisoa lehibe ny asan’ny mpisava lalana
Afa-po tamin’ny fivavahany i Margaret Pieters fony nanomboka nianatra Baiboly. Izao no tantarainy: “Tsy nieritreritra ny hiova finoana mihitsy aho tamin’ny voalohany. Katolika nafana fo mantsy aho ary anisan’ny Zanak’i Masina Maria sady nanao kôralina. Takatro anefa fa diso ny zavatra
nampianarina ahy, rehefa nianatra Baiboly aho. Tsy niandry ny fanasana ahy hitory aho fa nangataka ny hitory kosa. Tiako hiala tamin’ny fivavahan-diso ka hiandany tamin’ny fahamarinana ny olona.” Natao batisa izy tamin’ny 1974, ary mpisava lalana maharitra efa hatramin’ny 25 taona.Asehon’ity anisan’ny zavatra niainan’i Margaret ity, fa nitahy azy i Jehovah. Nasaina nampianatra zazavavy kely nantsoina hoe Melva Coombs izy, nefa nasainy niresaka tamin-drainy aloha ilay zazavavy. Gaga be noho ny fanajan’i Margaret azy Atoa Coombs, ka nilaza fa tsy i Melva ihany no hianatra fa izy fito mianaka mihitsy! Faly i Margaret nahita azy rehetra natao batisa, ary lasa anti-panahy ny iray tamin’ireo ankizilahy, tatỳ aoriana.
Nahita ny hatsaran’i Jehovah koa i Blanche van Heydoorn, mpisava lalana hafa. Natao batisa tamin’ny 1961 izy, ary tamin’ny 1965 kosa i Hans vadiny. Mpisava lalana izy nandritra ireo 35 taona farany. Nitaiza zanaka enina i Blanche tamin’izany, ka mpisava lalana maharitra ny roa amin’ireo izao. Tsy ho nahavita izany izy raha tsy teo ny fanampiana ara-nofo sy ara-pihetseham-po avy tamin’i Hans. Olona 65 no nampian’izy ireo ho tonga tamin’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah.
Indro misy tantara momba an’i Serafina, mpiara-monina tamin’i Blanche. Nanomboka nianatra niaraka tamin’i Serafina izy, nefa nanohitra mafy i Theo vadin’io vehivavy io. Nodorany Hebreo 13:4 i Hans mba hanazavana ny fiheveran’ny Kristianina ny fanambadiana. Izay vao tony i Theo ka namela ny vadiny hanohy ilay fianarana. Natao batisa i Serafina, ary natao batisa tsy ela taorian’izay koa i Theo. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izy mivady izao.
ny bokin’i Serafina ary tsy navelany hiditra ny tranony i Blanche. Nilazany ny rehetra fa efa nandranitra ny antsibeny hamelezana an’i Blanche izy. Fantatr’i Hans ny antony tena nanoheran’i Theo. Toa hoe nanomboka nianatra niaraka tamin’ny mpitondra fivavahana teo an-toerana ny vadin’ny namany anankiray. Nandositra niaraka tamin’ilay mpitondra fivavahana anefa ilay vehivavy rehefa nandeha ny fotoana. Natahotra àry i Theo sao hanao toy izany koa ny vadiny. Nampiasa nyNotantarain’i Blanche koa ilay izy nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny 11 ora antoandro, nody nisakafo antoandro, ary niteraka an’i Lucien zanany lahy, adiny roa taorian’izay! Mbola mankamamy ny tombontsoany ho mpisava lalana foana izy. Hoy i Blanche: “Mahatonga anao hanomana sy hianatra hatrany ny asan’ny mpisava lalana, ary ahazoanao fahafaham-po mety tsy ho azonao na aiza na aiza.”
Hery lehibe
Tena afa-po tamin’ny fanompoana an’i Jehovah manontolo andro koa i Marion Kleefstra. Nanjary liana tamin’ny fahamarinana izy tamin’izy zatovo, satria namaky ireo gazety tamin’ny renibeny jamba. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy tamin’ny 1955 ary lasa mpisava lalana maharitra tamin’ny 1970. Nanaraka ny diany i Albert zanany, ka mpisava lalana efa hatramin’ny 18 taona koa.
Niara-nianatra tamin’i Johanna Martina, nanan-janaka sivy, i Marion. Nanohitra be i Antonio, vadin’i Johanna, ka tsy afaka nampianatra azy i Marion rehefa teo izy. Nisy tapa-damba nafatotr’i Johanna teo am-bavahady raha tao an-trano ny vadiny, ka rehefa nahita izany i Marion dia taoriana
kelin’izay vao niverina. Noho ny faharetan’i Marion sy ny fikirizan’i Johanna, dia samy nanaiky ny fahamarinana i Johanna sy Antonio, ary niara-natao batisa. Valo tamin’ireo zanany sivy no nampian’izy mivady hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah.2 Kor. 4:7) Nanampy azy ny finoana matanjaka, tsy hoe mba hiaretana fotsiny ny fotoan’ny alahelo saika tsy zakany, fa mba hanohizana ny asan’ny mpisava lalana koa. Izao no nolazain’i Johanna, efa 81 taona izao: “Lehibe i Jehovah, ary Izy no manohana ahy. Mitalaho aminy foana aho, ary tsy mandao ahy mihitsy izy.”
Nampalahelo fa maty tamin’ny lozam-piarakodia i Antonio. Maty tamin’ny lozam-piarakodia koa ny zanany mianadahy, taona vitsivitsy taorian’izay, ary maty tamin’ny loza hafa ny fahatelo. Niorina mafy anefa i Johanna tamin’izany rehetra izany, satria natoky fa homen’i Jehovah ‘hery lehibe’ izy. (Ireo dia vitsivitsy monja amin’ireo mpisava lalana miasa mafy sady mahatoky, sady fototra iorenan’ny ankamaroan’ny fiangonana sy mampiroborobo azy ireny. Maro koa no nanjary afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana, nanomboka tamin’ny 1998, rehefa nahena ny ora takina. Naneho fankasitrahana lalina ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ireo mpisava lalana, satria tena nanampy azy ireo hiofana mba ho mpitory tsaratsara kokoa io sekoly io. Manampy ny hiakam-piderana ho an’i Jehovah koa ireo mpitory be zotom-po ary misy tena mahay manao fitoriana tsy ara-potoana, araka ity fitantarana ity.
Nampianatra tao amin’ny oniversite iray tany Djakarta, any Indonezia, i Albert Heath, dokotera tanora avy any Guyana, tany am-piandohan’ireo taona 1950. Nanomboka nianatra momba ny karazam-pitsaboana hafa izy tany. Manam-pahaizana momba ny maso izy, ka takany ny amin’ilay “odi-maso” noresahin’i Jesosy tamin’ireo Laodikianina, voalazan’ny Apokalypsy 3:18. Tapa-kevitra i Albert fa io “odi-maso” io no hasainy hampiasaina. Nifindra teto Curaçao izy mianakavy tamin’ny 1964, ary notohiziny ny fianarana momba ny fandaharam-panasitranana ara-panahy, nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpanompony eto an-tany. (Matio 24:45) Niara-natao batisa tamin’ny fivoriambe iray i Albert sy ny zanany lahy, tamin’ny 1969. Nazoto nitory tamin’ireo marary sy mpiasa izy. Nahatarika olona maro hisotro ny ranon’ny fahamarinana izy, ary anti-panahy ny sasany amin’izy ireny ankehitriny.
Korontana tsy nampoizina
Nilamina tsara foana ny fiainana teto Curaçao. Tsy nisy mihitsy zava-nitranga nanakorontana an’io filaminana nahafinaritra io, nandritra ny taona maro. Nisy fisehoan-javatra nanova tanteraka izany anefa. Nampitandrina i Robert Tracy, mpiandraikitra mpitety sampana, tamin’ny fiandohan’ny May 1969, fa mampidi-doza ny ho moramorainy sy ho variana noho ilay filaminana sandoka teto, ka tsy ho mailo. Nananontanona ny korontana. Nisy adin’ny mpiasa madinika niteraka herisetra tokoa, tamin’ny 30 May. Velona ny fandrobana sy ny doro trano, ka lasa hotakotaka ara-politika ilay filaminana teo iny. Nitantara toy izao i Clinton Williams: “Nanatona ny fiarako ny lehilahy iray tsy nanao akanjo ambony, ny masony feno hatezerana. Tampoka teo, dia tonga namonjy ahy ny olona iray efa nampianariko Baiboly, ka niantsoantso hoe: ‘Tsy izy io, olona tsara io!’ Nandroso ihany ilay lehilahy ary natsipiny teo amin’ny sezan’ny fiarako ny entana vao avy nangalariny tany amin’ny fivarotana lehibe, dia iny izy no lasa. Nisento lalina aho ary nisaotra an’i Jehovah noho ny fiarovany.”
Tao anatin’izany fisafotofotoana sy fanahiana izany, dia tony hatrany ny vahoakan’i Jehovah, satria azony antoka fa tsy ho ela ny fitondrana tonga lafatra ho an’ny rehetra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanome fahafaham-po ny fanirian’ny “zava-miaina rehetra” i Jehovah amin’izay. (Sal. 145:16) Fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’i Curaçao iny 30 May 1969 iny, hoy ny olona.
Birao vaovaon’ny sampana
Tena nikarakara ny misionera foana i Nathan Knorr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-pahafatiny Efes. 4:8; Kol. 4:11) Tamin’ny 1950 ny Rahalahy Knorr no nitsidika voalohany an’ireo nosy ireo, ary nanao fandaharana mba hisian’ny birao vaovaon’ny sampana izy, rehefa nandalo teto Curaçao, ka i Russell Yeatts no mpikarakara ny sampana. Izao no nosoratan’ny Rahalahy Yeatts momba ilay lahatenin’ny Rahalahy Knorr hoe “Fanafahana An’ireo Babo”: “Toy ny hoe niresaka tamin’ny tsirairay izy, ka nanome azy torohevitra manokana.” Niverina nitsidika indray ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1955, ary nanao lahateny tao amin’ilay Efitrano Fanjakana mbola tsy vita tao Oranjestad, ao Aruba. Tonga teto Curaçao izy avy eo mba hanatrika fivoriambe, niaraka tamin’ny rahalahy vitsivitsy. Tamin’ny fitsidihany farany, tamin’ny 1962, dia nitokana ny Efitrano Fanjakana ao Buena Vista, eto Curaçao, izy, ary tena nampahery an’ireo rahalahy tamin’ireo lahateniny tonga tamin’ny fotoana nilana azy. Nekeny koa ny hanorenana biraon’ny sampana vaovao, trano misionera ary Efitrano Fanjakana tao amin’ny toerana iray, tao Oosterbeekstraat, tsy lavitra an’i Willemstad.
tamin’ny 1977, ary nandeha matetika tany an-tany hafa mba hampahery ireo rahalahy. Nanomboka nitsidika an’ireo rahalahy naneran-tany koa ireo mpiandraikitra mpitety sampana, tamin’ny 1956, ka fanampiana nanatanjaka, nanampy tosika ny asa teto amin’ireo nosy ABC ireny lehilahy “fanomezana” ireny. (Jiosy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fitanana nazia, ny rain’ilay mpanao mari-trano nokaramaina hanao ny mari-trano. Hoy io lehilahy io tamin’i Hazel Yeatts: “Tsy misy afa-tsy fivavahana marina iray monja, dia ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Notokanana tamin’ny 1964 io biraon’ny sampana io, ary nitarina tamin’ny 1978, araka ny tolo-kevitr’i Albert Schroeder, mpiandraikitra mpitety sampana. Hita, tamin’ny 1990, fa nilaina ny trano lehibe kokoa, ka niezahana ny hahita toerana vaovao hanorenana, nefa tsy nahita.
Tapaka ny hevitra, tamin’ny Novambra 1998, fa hividy trano efa vita ary hovana ho tranon’ny sampana. Trano lehibe tsara toerana no nofidin’ireo rahalahy, tao amin’ny lalana nantsoina hoe Seroe Loraweg, tsy lavitra an’i Willemstad. Voavidy tamin’ny 4 Desambra ilay izy. Nizotra haingana sy mora erỳ ny zava-drehetra ka nino izy ireo fa nitahy ilay ezaka i Jehovah araka ny Salamo 127:1. Kanto sy ary fomba ireo trano nohavaozina ka manome haja sy voninahitra ny anaran’i Jehovah.
Tao an-tokotanin’ny sampana no nanaovana ny fitokanana an’ilay sampana vaovao ny 20 Novambra 1999, ary olona 273 no nanatrika. Nanonona ny mpaminany Isaia i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, mba hanazavana fa
hampiasaina ho an’ny fikasana lehiben’i Jehovah ireo trano vaovao ireo. Ny ampitson’io, dia olona 2 588 no nanatrika fandaharana manokana tao amin’ny kianjan’ny fanatanjahan-tena, ary io no zava-nisongadina tamin’ny taom-panompoana 2000 ho an’ny maro.Raharaha momba ny ra noresahin’ny radio
Mankamamy ny aina ary mihevitra azy io ho fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifady ra izy ireo, araka ny Asan’ny Apostoly 15:29. Nisy dokotera sy manam-pahefana tsara fikasa anefa nandray tamin’ny fomba diso ny fandavan’izy ireo fampidiran-dra. Nisy mpitsara iray teto Curaçao tamin’ny 1983 nanda ny fahefana nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreny, ka nandidy ny hampidirana ra tamin’ny zanaka kelin’i Esmond sy Vivian Gibbs. Nanaovana resa-be tao amin’ny fampitam-baovao ilay izy, ary betsaka ny fanoherana. Nisy radio iray nanao fandaharana mba hanazavana ilay raharaha, ary nanasa olona fito mba hiara-midinika izany nandritra ny adiny telo, ka anisan’izany i Hubert Margarita sy Lena vadiny, niaraka tamin’i Robertus Berkers, mpiandraikitra ny faritra. Hain’ireo rahalahy ny nanazava tsara ny lalàn’ny Baiboly momba ny ra, ka noho ilay fandaharana dia nihena ny disadisa, ary nanjary takatry ny olona ny zavatra takin’i Jehovah.
Misy koa dokotera manaja ny zon’ny marary hifidy ny tsy hampidiran-dra. Voan’ny lozam-piarakodia, ohatra, i Gerda Verbist, mpampianatra, ka tsy maintsy nodidiana avy hatrany. Very ra be dia be izy ka nihena be ny isan’ny selan-drany. Nanapa-kevitra ny handidy azy indroa miantoana ny dokotera mba tsy hahavery ra be intsony an’i Gerda. Vita soa aman-tsara ilay fandidiana. Ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny dokotera mahay sy be fikirizana toy izany. Indraindray tokoa mantsy dia voatery miady amin’ny feon’ny fieritreretany izy ireny, nefa sahy sady manaja foana ny zon’ny marariny hifidy ny tsy handray ra.
Nilaza toy izao i Guillermo Rama, mpitari-draharahan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eto Curaçao: “Angatahina tsy tapaka ny fanampianay ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra. Hihamaro ny olana raha tsy eo ity komity ity.” Miombon-kevitra amin’izany i Alfredo Muller, mpitari-draharaha ao Aruba. Nolazainy fa na dia somary nanohitra ihany aza ireo dokotera tamin’ny voalohany, dia miara-miasa amin’ny Vavolombelona kosa ny ankamaroany ankehitriny.
Fanompoana amim-pitiavana ataon’ny mpiandraikitra ny faritra
Tena niadana ny fitomboana tatỳ amin’ireo nosy telo tamin’ny voalohany, nefa nisy foana io fitomboana
io ary mora ny nametraka boky sy gazety. Nisy fiangonana efatra nanana mpitory 379 tamin’ny 1964, ary nitombo ka lasa fiangonana 16 nisy mpitory 1 077 izany tamin’ny 1980. Nitombo ka lasa 2 154 ny mpitory teo anelanelan’ny 1981 sy 2000, ary ambonin’ireo fiangonana roa miteny holandey sy roa miteny espaniola, dia lasa 29 ny isan’ny fiangonana, ary 6 176 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana.Mpiandraikitra ny faritra nahay fiteny telo, fara fahakeliny, no nilaina mba hitsidika ireny fiangonana samy hafa fiteny ireny, ary tsy mora foana ny nahita rahalahy toy izany. Sambatra anefa ireo nosy ABC manana mpiandraikitra mpitety faritany tena faly nanome ny ainy, toa an’i Paoly. (1 Tes. 2:8) Nanao izany asa izany i Humphrey sy Ludmila Hermanus vadiny, misionera any Suriname izao, ary i Edsel sy Claudette Margarita vadiny, mpisava lalana teto an-toerana. Nanao fitetezam-paritra koa ny mpisava lalana mivady avy ao Aruba, i Frankie sy Maria Herms, mandra-pahatongan’ny fotoana niantsoana azy ireo handika teny eto amin’ny Betela.
Tonga avy lavitra, tamin’ny 1997, mba hanatanjaka an’ireo rahalahy, i Marc sy Edith Millen vadiny, efa nanao fitetezam-paritra tany Belzika. Tsy maintsy nianatra fiteny vaovao, toy ny misionera vaovao rehetra, izy ireo ary nisy zavatra tena nampihomehy indraindray, vokatr’izany. Tsaroan’ny Rahalahy Millen fa niezaka niteny izy hoe tsy tokony ho toy ny miaramila miafina ao anaty lavaka (buracu) ny Kristianina, nefa ny voateniny dia hoe tsy tokony ho toy ny miaramila miafina ao anaty ampondra (buricu)! Niezaka hatrany izy mivady na dia sarotra aza ilay izy. Efa mahay tsara ilay fiteny izao ry zareo, ka faly mitsidika an’ireo fiangonana miteny holandey sy papiamento. Tamin’ny taona 2000, dia i Paul sy Marsha Johnson no mpivady voalohany nandray anjara tamin’ilay fandaharana vaovao hitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra avy any Porto Rico ny fiangonana miteny anglisy sy espaniola eto an-toerana.
Efitrano Fanjakana vita haingana
Nisy rahalahy 294 avy any Etazonia sy avy any Alaska mihitsy aza, tonga nanorina Efitrano Fanjakana tao Pannekoek, eto Curaçao, tamin’ny 1985. Vita tao anatin’ny sivy andro ilay efitrano vaovao, ka nahatonga resa-be sady lasa fitoriana tsara sy porofo velon’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina. Gaga ny olona nahita lehilahy sy vehivavy ary ankizy dodona nanampy an’ireo mpiasa an-tsitrapo avy tany Etazonia ireo. Hoy i Ramiro Muller: “Nisy ny olana ara-teknika toy ny mahazatra, nefa voavaha izy ireny satria nahery ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah teo amin’ny fanorenana ilay efitrano. Afaka nivavaka tao amin’ilay efitrano vaovao
tanteraka ireo rahalahy ny alahady hariva, ka tampina ny vavan’ireo be fisalasalana nilaza fa tsy ho vita mihitsy ilay izy.”Nahagaga ny mpitondra fivavahana teto an-toerana koa ilay zava-bita, satria nisy fiara nijanona teo anoloan’ilay efitrano indray maraina, taorian’ny filazana tao amin’ny televiziona. Iza no nivoaka avy tao? Tsy iza fa ny evekan’i Curaçao niaraka tamin’ny pretra telo, niakanjo rebareba fotsy natopatopan’ny tsio-drivotra. Tena gaga ary tsy nino izy ireo ka nihifikifi-doha.
Tsy ho ampy ny fotoana hitantarantsika ny asa rehetra nataon’ireo rahalahy tamim-pitiavana: teo ireo misionera
voalohany toa an-dry Van Eyk, ry Hoornveld, ry Phelpse mivady avy, ary i Cor Teunissen, samy nandao ny tranony mba hanompo ny rahalahy tatỳ; i Pedro Girigorie, tsy nahay namaky teny sy nanoratra nefa nahatarika olona maro tao amin’ny fahamarinana; i Theodore Richardson na “Ralava”, izay nanao dingan-dava namakivaky ny lalan’i Cher Asile mba hanaovana fiverenana mitsidika maro be; anisan’ny mpisava lalana nazoto i Maria Selassa, Edna Arvasior, Isenia “Chena” Manuel ary Veronica Wall. Niasa mafy koa i Seferita Dolorita, jamba sady voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra nefa falifaly ary mbola miezaka mafy amin’ny fitoriana sy mankahery hatrany an’ireo tonga mankahery azy. Namela soritra lalina ao am-po sy ao an-tsain’ireo rahalahy eto amin’ireo nosy ABC ireny olona nahatoky sy tsy nitandro hasasarana ireny.Mamony ny tany efitra
Niroborobo ny toe-karen’i Aruba nandritra ireo taona 1980. Hita eny amin’ny torapasika fotsy eny izao ny hotely faran’izay ary fomba, ary manintona ny mpanefohefo maneran-tany
ireo trano filokana misy jiro mamirapiratra. Tsy maintsy nisy fiantraikany teo amin’ny toe-tsain’ny mponina izany, ka maro, nisy rahalahy mihitsy, no voasintona ka voafitaky ny fitiavan-karena. Mandroso be anefa ny ara-panahy, indrindra fa eo amin’ny faritany miteny espaniola, ka ilaina maika ny rahalahy mahay mba hitarika.Mitambotsotra be kosa anefa ny toe-karena eto Curaçao ka maro ny olona mifindra any Holandy. Nisy fiantraikany teo amin’ny fiangonana io fifindrana rodoben’ireo rahalahy io, ka kely ny fitomboana hita teto Curaçao sy Bonaire tato anatin’ny taona vitsivitsy lasa.
Arakaraka ny handrosoantsika ao amin’ny taonjato faha-21 anefa, dia misy antony tokony hanandratantsika ny lohantsika sy hifaliantsika. Akaiky ny Fanjakana be voninahitr’Andriamanitra, ka mampianatra hatrany ny fahamarinana an’izay vonona hianatra, ny vahoakan’Andriamanitra. Vonton’ny ranon’ny fahamarinana izao ity tany efitra maina ara-panahy taloha ity.
[Efajoro/Sary, pejy 72]
Sama sy Ampondra
Ny fakana sira an-dranomasina ao Bonaire, toerana milamina sady mbola tsy niova, no tena mampidi-bola ho an’ireo mponina anosy. Sakafo mangidy sira no iveloman’ny vorona sama. Betsaka an’izany sakafo izany ao amin’ny tanin-tsira ao Bonaire, ka izany no mahatonga azy ho anisan’ny toerana vitsy mety indrindra amin’ny fanatodizan’ireny vorona mareva-doko ireny. Navela hihenjy fotsiny ny ampondradia nohafarana avy tany ivelany, rehefa tonga ny milina nisolo ny asany teny amin’ny tanin-tsira. Mandehandeha eny ambanivohitra rehetra eny izy ireny ankehitriny. Misy toerana sy fandaharam-piompiana natao hiarovana ireny ampondra ireny tsy ho lany tamingana izao ao Bonaire.
[Efajoro/Sary, pejy 87]
Tapenaka sy Tetezana Mitsinkafon’i Curaçao
Tanàna kanto sady marevaka i Willemstad, renivohitr’i Curaçao. Mampahatsiaro an’i Amsterdam ireo tapenaky ny trano eto, saingy mareva-doko izy ireo. Mamakivaky eo afovoan-tanàna ny Helodranon’i Sainte Anna. Mampifandray ny tapany roa amin’ilay tanàna ny Tetezana Mitsinkafon’ny Mpanjakavavy Emma, izay azo vohana haingana mba hidiran’ireo sambo lehibe ao amin’ny seranana anatiny. Nisy vola naloa taloha mba hiampitana an’ilay tetezana, raha tsy hoe tsy nanao kiraro angaha ilay olona, mba hampisehoana fa nahantra izy. Vokatr’izany, dia nindrana kiraro ny mahantra mba tsy hoheverina ho mahantra, ary nanafina ny kirarony kosa ny mpanan-karena mba tsy handoavana ilay vola!
[Efajoro, pejy 93]
Ny Pretra hoe no Arahabaina Voalohany?
“Lehibe tokoa ny fahamendrehan’ny pretra ka raha sendra mifanena amin’ny pretra sy ny anjely isika eny an-dalana, dia ilay pretra no arahabaina voalohany.”—Nadika avy tamin’ny La Union, 10 Aogositra 1951, gazety katolika mpiseho isan-kerinandro eto Curaçao.
[Efajoro/Sary, pejy 95]
Sarobidy ny Laza Tsara
Naka fonosan’entana avy tany Jamaika, ho an’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana i Russell Yeatts, tamin’ny Septambra 1986. Rehefa novohana teo anatrehan’ny mpisava entana ilay izy, dia gaga ilay rahalahy nahita fonosana rongony efatra kilao tao ambany gazety! Nohazonin’ny polisy avy hatrany izy. Nahafantatra azy tsara anefa ny reseveran’ny paositra teto Curaçao, ka nilaza fa tsy ny Rahalahy Yeatts mihitsy no ho voarohirohy tamin’ny zava-mahadomelina. Ho nigadra ilay rahalahy, raha tsy nanome antoka mazava toy izany io olona io. Nafahana avy hatrany àry izy. Lasa resa-be tao amin’ny gazety io zava-niseho io. Nisy gazety niantso ny Rahalahy Yeatts hoe “lehilahy tena mendrika sy marina” sy hoe “tena mazoto mitory ny vaovao tsara amin’ny rehetra.” Manamafy ny hasarobidin’ny laza tsara izany.
[Efajoro/Sary, pejy 96]
Endri-panompoana Hafakely
Maro be ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro voapetraka isan-taona. Nisy fotoana, nahapetraka an-jato tamin’izy io ireo mpisava lalana. Narary tany amin’ny hopitaly i Giselle Heide ary nanararaotra nitory tsy ara-potoana tamin’ny marary hafa. Nandray tsara i Ninoska, ka nanontany an’i Giselle raha nanana “ilay boky kely” izy. Tsy fantatr’i Giselle aloha hoe boky inona no tian’i Ninoska holazaina, nefa takany tamin’ny farany fa hay ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ilay izy. Nanomboka teo dia niara-nandinika ny andinin-teny isa-maraina izy ireo. Natao ny fandaharana mba hianarana Baiboly rehefa samy tafavoaka ny hopitaly izy ireo. Tsy ampy herintaona taorian’izay akory dia natao batisa i Ninoska. Miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona koa ankehitriny ny vady aman-janany.
[Sary]
“Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro” amin’ny fiteny holandey sy anglisy ary papiamento
[Efajoro, pejy 104]
‘Mazoto ho An’Andriamanitra, Saingy Tsy Araka ny Fahalalana’
Nifanena tamin’i Morella, zazavavy mpianatra, i Hubert Margarita sy Morena van Heydoorn, rehefa nitory indray maraina. Hita mazava fa ‘nazoto ho an’Andriamanitra, saingy tsy araka ny fahalalana’, i Morella. (Rom. 10:2) Nohazavainy fa nandray fampianarana isan’andro tamin’ny Fivavahana Katolika izy, ary nino mafy fa izany no fomba ivavahana amin’Andriamanitra. Nanao fandaharana mba hampianatra Baiboly azy i Hubert sy Morena. Izao ilay fandaharana: Hankany amin’ny pretra mpampianatra azy i Morella mba hanamarina izay nianarany. Raha nisy fampianarana tsy neken’ilay pretra, dia hasaina izy hanome ny antony ara-baiboly. Raha noheverin’i Morella fa nifanohitra tamin’ny Baiboly ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelona azy, dia hajanony ilay fianarana. Tsy ela dia hitany fa tsy nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ny fampianaran’ny Katolika. Tsy nianatra tany amin’ilay pretra intsony izy, rehefa hitany fa sahirana ilay pretra namaly ny fanontaniany. Nanohy ny fianarany ny fahamarinana i Morella ka natao batisa ary manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izao.
[Efajoro/Sary, pejy 107]
Ny Fasika sy ny Vatolampin’i Aruba
Lafiny mahavariana amin’i Aruba ireo vatolampy goavan’i Casibari sy Ajo. Malaza koa ireo lava-bato misy sarisary heverina fa nataon’ireo Indianina dabajuro. Manintona mpizaha tany an’arivo hiverina isan-taona ny andro tsara foana sy ny torapasika fotsy mitomandavana.
[Efajoro, pejy 110]
“Avy Amin’ny Vavan’ny Ankizy Madinika”
Hoy i Jesosy: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana.” (Matio 21:16) Marina koa izany raha ny amin’ny ankizy atỳ amin’ireo nosy ABC. Mipetraka ao Aruba i Maurice, 15 taona. Tsy hitan-dreniny izay nalehany tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’izy fito taona. Efa nanahy be ilay reniny rehefa nitady azy, kanjo nahita azy tao amin’ny faran’ny efitrano nanaovana ny fivorian’ireo naniry hiasa tao amin’ny Betela. Naniry hangataka hiasa tao amin’ny Betela i Maurice. Tsy te hampalahelo azy ilay mpitari-draharaha ka namela azy hanatrika teo. Tsy nihena io faniriany hanompo an’i Jehovah ao amin’ny Betela io. Natao batisa izy rehefa 13 taona ary miezaka mafy manomana tsara ny anjara rehetra. Mbola tapa-kevitra foana ny hanompo ao amin’ny Betela izy.
Nasaina hankany amin’ny Efitrano Fanjakana i Renzo, enin-taona, avy ao Bonaire, ary tiany be ilay izy. Nanomboka nampianarina Baiboly izy ary nanomboka teo koa dia tsy nety niangona tany amin’ny Katolika intsony. Nanontaniany an’ireo ray aman-dreniny ny antony tsy nampianaran’ny Eglizy momba ny paradisa, ary nahaliana azy ireo izany. Nanomboka nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ry zareo. Natao batisa ny ray aman-drenin’i Renzo sy ny olona iray nampianariny, tatỳ aoriana. Valo taona izao i Renzo, ary natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra iray tao Bonaire.
[Efajoro/Sary, pejy 115]
Misy Mila Iguana Natao Ketsaketsa Ve?
Fahita manerana an’ireo nosy ABC ny androngo iguana, toy ity amin’ny sary eto ambany ity. Tena ankafizina ireny biby mandady ireny, fa tsy amin’ny maha biby fiompy azy. Izy io no zavatra fototra anaovana lasopy sy laoka ketsaketsa. “Toy ny tsiron’akoho ny tsirony”, hoy ny mpahandro mahay iray eto an-toerana. “Tena malemy ny henany.”
[Sarintany, pejy 71]
(Jereo ny boky)
HAITI
RANOMASIN’I CARAÏBES
VENEZOELA
ARUBA
ORANJESTAD
Saint-Nicolas
CURAÇAO
WILLEMSTAD
Santa Cruz
Buena Vista
BONAIRE
Kralendijk
[Sary, pejy 66]
[Sary, pejy 68]
Miara-miasa tsara ny olona samy hafa firenena eo anivon’ny Fiangonana Hooiberg, Aruba
[Sary, pejy 70]
Niara-nivarotra boky ara-pivavahana tamin-drainy i Pearl Marlin. Lasa Vavolombelona izy tatỳ aoriana
[Sary, pejy 73]
Ilay fiangonana voalohany niteny anglisy tao Saint-Nicolas, ao Aruba
[Sary, pejy 74]
Sasantsasany tamin’ireo nifindra tao Aruba: 1) Martha Faustin ankehitriny, 2) Hamilton vadiny, efa maty, ary 3) Robert sy Faustina Titre
[Sary, pejy 75]
Sary mariazin’i Woodworth sy Oris Mills
[Sary, pejy 76]
Edwina Stroop, mpisava lalana ao Aruba
[Sary, pejy 77]
Nahazo ny boky “Famoronana” i Jacobo Reina tamin’ny 1928, ary niaiky fa nahita ny fahamarinana
[Sary, pejy 78]
Ankavia miankavanana: Russell sy Hazel Yeatts, nahazo diplaoman’i Gileada kilasy faha-6, sy Mary sy William Yeatts, anisan’ny kilasy faha-14
[Sary, pejy 79]
Mpitory ny vaovao tsara nafana fo i Henricus Hassell, eo ankavia
[Sary, pejy 79]
I Camilio Girigoria no olona avy eto natao batisa voalohany tamin’ny 1950
[Sary, pejy 80]
Tsaroana tsara i Alice sy Henry Tweed noho ny fahafoizan-tenany sy ny zotom-pony
[Sary, pejy 81]
Nanaovana famandrihana fanomezana tamin’ny “Mifohaza!” i Gabriel Henriquez. Izy no voalohany natao batisa tao Aruba
[Sary, pejy 82]
Nanohitra ny fahamarinana i Ninita Webb tamin’ny voalohany. Lasa mpitory ilay Fanjakana nafana fo izy sy Daniel, vadiny
[Sary, pejy 82]
Katolika nafana fo i Maria Rasmijn, nefa nitsahatra, rehefa nilazan’ny pretra fa tsinontsinona ny sary masina
[Sary, pejy 83]
Namela “epistily filazan-tsoa” i Albert Suhr
[Sary, pejy 84]
Nanampy olona maro hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah i Olive Rogers
[Sary, pejy 85]
Ambony: Mpisava lalana nazoto i Eugene Richardson, natao batisa teo amin’ny faha-17 taonany
[Sary, pejy 85]
Ambany: Niaraka taminy nanokatra ny fitoriana tany amin’ny “kunuku” i Clinton Williams, tamin’izy mbola tanora
[Sary, pejy 86]
Tranon’ny misionera tao Aruba, tamin’ny 1956
[Sary, pejy 89]
Ambony: Nitokana ity Efitrano Fanjakana voalohany ho an’ny rahalahy teto Curaçao ity, i Nathan Knorr avy any Brooklyn, tamin’ny 1962
[Sary, pejy 89]
Ankavanana: Victor Manuel, mpitory ny vaovao tsara efa hatramin’ny 50 taona, manompo ao amin’ny fiangonana faharoa miteny papiamento
[Sary, pejy 90]
Ambony: Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany”, tamin’ny 1969, tany Atlanta, Géorgie, Etazonia
[Sary, pejy 90]
Ankavanana: Toerana teto Curaçao nanaovana io fivoriambe io koa
[Sary, pejy 94]
Petra Selassa (ankavanana) sy Ingrid, zanany vavy, mpisava lalana manokana nalefa hanampy tao Bonaire tamin’ny 1969
[Sary, pejy 97]
“Ny Tilikambo Fiambenana” amin’ny fiteny papiamento
[Sary, pejy 98]
Ambony: Pauline sy John Fry
[Sary, pejy 98]
Ambany: Tonga tamin’ny 1964 i Age van Dalfsen rehefa nahazo ny diplaoman’i Gileada kilasy faha-39
[Sary, pejy 99]
Ambony: Anisan’ireo mpandika teny sivy i Janine Conception sy Raymond Pietersz
[Sary, pejy 99]
Ankavanana: Miasa amin’ny ordinatera sy ny programa MEPS, fitaovana sarobidy manampy ny mpandika teny i Estrelita Liket
[Sary, pejy 100]
Nandrisika ny mpitory mba hanao ny fanompoana manontolo andro i Robertus sy Gail Berkers mpiandraikitra ny faritra (ankavia)
[Sary, pejy 100]
Niverina teto Curaçao i Julie sy Age van Dalfsen tamin’ny 1992 (ambany), ary nasaina hiasa eto amin’ny Betela tamin’ny 2000
[Sary, pejy 100]
Komitin’ny Sampana: Age van Dalfsen sy Clinton Williams ary Gregory Duhon
[Sary, pejy 102]
Nanampy olona 65 hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah i Blanche sy Hans van Heydoorn
[Sary, pejy 108]
1) Biraon’ny sampana notokanana tamin’ny 1964
[Sary, pejy 108]
2, 3) Sampana ankehitriny notokanana tamin’ny 20 Novambra 1999
[Sary, pejy 112]
Sambatra ireo nosy ABC nanana mpivady mpitety faritany toa an’i Ludmila sy Humphrey Hermanus (ambony) ary (ankavia miankavanana) i Paul sy Marsha Johnson ary i Edith sy Marc Millen
[Sary, pejy 114]
Misionera voalohany: 1) Van Eyk mivady 2) Hoornveld mivady 3) Cor Teunissen, samy nandao ny tranony mba hanompo tatỳ