Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

ETO am-piandohan’ny taonjato faha-21, dia faly izahay manoratra ho anareo “rahalahy” maneran-tany sy midera anareo noho ny asa mafy ataonareo. (1 Pet. 2:17) Nanontany toy izao i Jesosy, efa ho 2 000 taona lasa izay: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” (Lioka 18:8) Eny, mahita tokoa izy raha ny zotom-ponareo tamin’ny taom-panompoana lasa no jerena! Misy aminareo ambanina sy esoina noho ny finoanareo. Misy aminareo miaritra manoloana ny ady, loza, aretina na mosary, any amin’ny tany maro. (Lioka 21:10, 11) Mbola ‘mahita finoana etỳ ambonin’ny tany’ i Jesosy, noho ny zotom-ponareo amin’ny asa marina. Azo antoka fa mahafaly ny any an-danitra izany!

Fantatray fa tsy mora ny miaritra. Diniho ny fisedrana mahazo ny rahalahintsika any amin’ny tany iray any amin’ny faritra andrefan’i Azia. Toa zary fahita ny herisetra ampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’io tany io. Vao haingana ny polisy no nampiato fivoriambe nilamina nisy olona 700 teo ho eo. Nisy olona 1 300 tsy afaka nanatrika azy io noho ny barazy teny amin’ny lalana. Nisy vahoaka romotra nisaron-tava nanafika tao amin’ilay toerana, ary polisy ny sasany taminy. Nikapoka ny maro tamin’ireo mpanatrika izy ireo ary nandoro ilay toerana saika hanaovana fivoriambe. Indray mandeha koa, dia nisy mpivavaka nafana fo tafahoatra nikapoka tamin-kabibiana ny rahalahintsika tamin’ny kibay nisy fantsika.

Manafintohina ny fanafihana toy izany, nefa tsy mahagaga. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Tim. 3:12) Nenjehina am-bava sy ara-batana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary nisy novonoina mihitsy aza. (Asa. 5:40; 12:2; 16:22-24; 19:9) Nitranga koa izany tamin’ny taonjato faha-20 ary tsy isalasana fa hitohy mandritra ny taonjato faha-21. Hoy anefa i Jehovah amintsika: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.” (Isaia 54:17) Fanomezan-toky tsara tokoa izany! Sarobidy amin’i Jehovah tokoa isika, hany ka nilaza tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminaniny izy hoe: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ (Zak. 2:12) Tsy ho afaka handresy mihitsy ny fahavalon’ny mpivavaka amin’i Jehovah. Handresy kosa ny fivavahana madio!

Nahazo tampon’isa vaovao indroa tamin’ny isan’ny mpitory, ohatra, ilay tany noresahintsika teo, tamin’ny taom-panompoana 2001. Eny, miaritra toy ny rahalahintsika any an-toeran-kafa rehetra ny rahalahintsika any na dia tsy mora aza. Nisy 5 066 isan-kerinandro naneran-tany no natao batisa ho fanehoana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, nandritra iny taom-panompoana iny. Tapa-kevitra toa antsika rehetra mba ‘hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’, ireny vaovao ireny.—Kol. 4:12, New World Translation.

Diniho koa ny zava-nitranga vao haingana tany Gresy. Eken’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa “fivavahana fantatra” ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia efa ela aza no nanohitra mafy dia mafy an’izany ny Eglizy Ortodoksa Grika. Voalaza ao amin’ny taratasy momba izany fanekena izany koa fa “toerana masina sy voatokana hanompoana an’Andriamanitra” ny tranon’ny Betela any Gresy. Faly koa izahay milaza aminareo fa namoaka didim-pitsarana nanome rariny antsika ny fitsarana, tamin’iny taom-panompoana lasa iny ihany, ka izany dia misy vokany tsara eo amin’ny asantsika any Alemaina, Boligaria, Etazonia, Japon, Kanada sy Romania ary Rosia. Velom-pisaorana an’i Jehovah isika noho izy mihazona ny varavarana misokatra hahazoana miasa any amin’ireny tany ireny!

Rehefa dinihintsika ny fomba anampian’i Jehovah ny vahoakany amin’izao andro farany izao, dia takatsika fa izy no Namantsika tsara indrindra. Mahafinaritra antsika ny mifandray aminy, satria fantatsika fa tia sy mampianatra ary manitsy antsika izy. Eny, mbola hosedraina hatrany ny finoantsika, nefa hanampy antsika ny finoana tsy azo hozongozonina an’i Jehovah. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.” (Jak. 1:2, 3) Porofon’ny fitiavantsika an’i Jehovah koa ny fiaretantsika, ka tena mahafaly antsika izany! Matokia, ry rahalahy, fa hanampy antsika tsirairay i Jehovah. Azo antoka fa hanampy antsika hiditra ao amin’ny tontolo vaovao izy, raha tsy mivadika aminy isika. Tiany hahomby isika.

Mampirisika anareo àry izahay, ry rahalahy sy anabavy, na tanora na antitra, mba hitadidy tsara ny fitahiana mahatalanjona miandry antsika. Enga anie isika hanahaka ny apostoly Paoly, izay nanoratra hoe: “Ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.” (Rom. 8:18) Miantehera amin’i Jehovah rehefa mandia fotoan-tsarotra. Miareta ary aza manaiky ho resy. Tsy hanenenanareo na oviana na oviana izany. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa “ny marina ho velon’ny finoany.”—Hab. 2:4.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah