Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Afrika

Ren’i Edith, mpianatra tanora, tany Côte d’Ivoire, fa nifanindry ny andro hanaovana batisa azy sy ny fanadinana tany an-tsekoly. Sahy nangataka tamin’ny mpampianatra azy izy mba tsy ho tonga tamin’ilay fanadinana, ary nanaiky ilay mpampianatra. Naneso azy ny mpiara-mianatra ka niantso azy hoe Maria renin’i Jesosy. Nihomehy izy ireo rehefa nilaza ny zazalahy iray fa tsy batisa ilay nandehanan’i Edith fa fifaninanana lomano. Nomeny ilay taratasy mivalona momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah io zazalahy io ho setrin’izany.

Tsy naneso azy intsony izy rehefa avy namaky ilay taratasy mivalona, fa nilaza kosa ny faniriany ho lasa Vavolombelona koa. Nianatra tamin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy, ary natao batisa na dia notoherin’ny fianakaviany aza. Faly i Edith satria nametraka ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany, ka izany no nanampy olon-kafa hanao toy izany koa.

Nitantara toy izao ny misionera iray atsy Afrika Andrefana: “Anisan’ny fitahiana avy amin’i Jehovah ny maha anisan’ny fandaminana iray tsara laza, na dia hatrany amin’ny tanàna kely indrindra aza. Nisy porofo nibaribary nisehoan’izany, hitako teto Ghana, izay toerana ahafantarana tsara sy anajana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanatitra ireo boky sy gazety nohafarana isam-bolana, tany amin’ny fiangonana sasantsasany tany ambanivohitra izahay. Tsy hitanay ilay Vavolombelona mpandray ny entana tao amin’ny tanàna kely iray. Nanontaniako an’ilay mpamily izay tokony hataonay. Nijery ahy izy sady nitsiky, ary niteny hoe: ‘Tsy olana izany.’ Najanony teo an-tsena feno olona ilay kamiao nentinay avy eo, ary navoakany ny lohany dia nantsoiny ny zazavavy kely iray nivarotra trondro teo amoron-dalana. Nomeny an’ilay zazavavy ny baoritra nisy ilay entana ary hoy izy: ‘Mba omeo kely ny Vavolombelon’i Jehovah ity, aza fady.’ Tsy niteny io, fa nololohaviny ilay baoritra, dia lasa izy ary nanjavona tao anaty vahoaka. Rehefa nanohy ny dianay nankany amin’ny tanàna nanaraka izahay, dia nanontaniako ilay mpamily raha fantany ilay zazavavy. Nitsiky indray izy ary niteny hoe: ‘An, an, an, fa izy mahafantatra antsika.’ Nanontany tena aho raha ho voarain’ireo rahalahy ihany ilay entana. Tsy nila niasa loha aho. Voarain’izy ireo ny androtr’iny ihany ilay izy.”

Nanoratra tamin’ny ben’ny tanàna ny rahalahy tao amin’ny tanàna kelin’i Gbolobo, any Liberia, mba hampahafantatra azy ny fikasan’izy ireo hanao ny fivoriana ara-pivavahana lehibe indrindra tao anatin’ny taona tao an-tanànany. Navelany hampiasa ny kianja filalaovam-baolina teo an-toerana ireo rahalahy, ary nasainy nampandrenesina ny fiangonana rehetra tao amin’ireo tanàna fito niadidiany. Nanasa ny olona hanatrika ny Fahatsiarovana ilay fampandrenesana. Tonga tao amin’ilay tanàna ny antokona Vavolombelona maro mba hanangana lampihazo ho amin’ny Fahatsiarovana, teo afovoan’ilay kianja filalaovam-baolina. Niara-niasa tamim-pitiavana sy tamim-pifaliana izy ireo. Nampiaiky volana ny mponina izany. Dimy monja ny mpitory ao Gbolobo, nefa 636 no nanatrika ilay Fahatsiarovana!

Nisy zazalahy folo taona tany avaratr’i Rwanda niompy osy kely mandra-piterany kamban-telo. Vao haingana izy no nanoratra sy nandefa ny sariny niaraka tamin’ilay osivavy tany amin’ny biraon’ny sampana. Izao no nosoratany: “Tena notahin’i Jehovah aho, ka izany no hanomezako io osivavy io ho an’ny asa fitoriana maneran-tany voalazan’ny Matio 24:14.” Nomeny an’ireo anti-panahin’ny fiangonana ilay osivavy ary nasainy namidy. Rehefa lafo ilay izy dia nalefa tany amin’ny sampana ny vola.

Niditra tao anaty fiara ny mpisava lalana manokana iray tany Nizeria, rehefa nilaza fa hitondra azy ilay mpamily. Rehefa nikisaka ny mpandeha iray mba hipetrahany, dia nahita Ny Tilikambo Fiambenana teny an-tanan’ilay rahalahy ilay mpamily. Koa nodidiany hivoaka ny fiara ilay rahalahy. Tsy nety nanazava ny antony izy fa nandidy azy hivoaka fotsiny. Rehefa hitan’ny mpitazana fa lasa ilay fiara, dia nilazan’izy ireo ilay rahalahy fa namonjy azy ny Andriamaniny. “Mpaka an-keriny ireny!”, hoy izy ireo. Nahazoan’ilay rahalahy ny fiarovan’i Jehovah ilay “famantarana” teny aminy.

Mpitory valo taona any amin’ny Provansin’i Copperbelt any Zambia, i Grant. Vao zazakely izy dia efa nahay tantara tsotsotra momba ireo sary tao amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Nampirisihin’ny ray aman-dreniny i Grant mba hanao tsianjery tapany tao amin’ny Baiboly, talohan’ny nahaizany namaky teny. Mpitory tsy vita batisa izy izao. Mitarika fampianarana Baiboly maro i Grant. Nisy nampianariny tamin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary nisy tamin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Mazoto mitory i Grant, ka antsoin’ny ankizy eo an-tanànany hoe shimapepo mukalamba, midika hoe “mpisoronabe.”

Nisy lehilahy iray tany Sénégal, nanomboka nianatra ny Baiboly. Namaky ny fitantarana tao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1999 izy, momba ilay Vavolombelona sy ny zanany vavy tanora tany Kanada. Izy mianaka ireo dia namerina vola 1 000 dolara (4 900 000 FMG) hitany tao anaty poketra novidiny tany amin’ny fivarotana entana efa nampiasaina. Nahita poketra teny an-dalana nisy kara-panondro sy lela vola nitentina 3 200 000 FMG mahery teo ho eo io lehilahy io, tsy ela taorian’ny namakiany ilay lahatsoratra. Nieritreritra lalina momba ilay lahatsoratra novakiny izy ka tsy nahita tory firy ny alin’io.

Ny ampitso maraina, tamin’ny valo ora, dia niantso an-telefaonina ny tompon’ilay poketra ilay lehilahy ary nanao izay hihaonana taminy avy hatrany, mba hamerenana an’ilay poketra sy ny vola rehetra tao anatiny. Tena nampiaiky volana an’ilay tompon-javatra ny fanaovan’ilay mpianatra ny Baiboly ny marina, ka nomeny azy ny antsasak’ilay vola, izany hoe 1 600 000 FMG eo ho eo! “Io Mifohaza! io no nanampy ahy haneho toetra izay hireharehako mandritra ny androm-piainako sisa!”, hoy ilay mpianatra. Nihevitra ny fianarany Baiboly ho tena zava-dehibe izy nanomboka teo.

Nipetraka nihaino tsara, nandritra ny fianaran-dreniny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Kandole, 12 taona, any Ouganda, atsy Afrika Atsinanana. Tsy liana tamin’ilay fianarana intsony ny reniny rehefa nandeha ny fotoana, fa ilay zazalahy kosa nalahelo tsy nandre ny Tenin’Andriamanitra ka nanontany ny toeram-pivorian’ny Vavolombelona. Nandeha an-tongotra 11 kilaometatra nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ny alahadin’io, ary nivory tsy tapaka taorian’izay. Nisy rahalahy mpisava lalana nanomboka nampianatra Baiboly an’i Kandole, izay nandroso tsara, ka natao batisa teo amin’ny faha-14 taonany. Fito ambin’ny folo taona izy izao ary lasa mpisava lalana maharitra vao haingana. Ny ho mpisava lalana manokana no tanjony. Nanohy indray ny fianarany ny reniny tatỳ aoriana, ary anabavy vita batisa ankehitriny. Tsy voatery mandeha an-tongotra intsony izao i Kandole mba hamonjena fivoriana. Efa manana bisikileta izy, ary entiny miaraka aminy ny reniny rehefa mankany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Ireo Tanin’i Amerika

Nasaina mba hanompo tao amin’ny Betela any Brezila i Márcio. Faritra mahantra ao amin’io tany io no niaviany, ary tsy misy Vavolombelona ny fianakaviany. Mba hahazoana vola hatao saran-dalana hankanesana any amin’ny Betela, dia namidiny ny fananany manokana, ka natambany tamin’ny vola nomen’ireo Vavolombelona teo an-tanànany. Nosakanan’ny mpanendaka nitam-piadiana ilay bisy nitondra azy, rehefa nandeha telo andro ry zareo. Nosavain’ireo mpanendaka ny entan’ny tsirairay ary nalainy izay tiany. Rehefa nosokafan’izy ireo ny kitapon’i Márcio, dia hitany ny Baiboliny, ka nakatony ilay kitapo ary tsy nisy zavatra nalainy. Noana ireo mpandeha rehefa tonga tao amin’ny tanàna nanaraka, nefa tsy nanam-bola hividianana sakafo intsony ny ankamaroany. Nividianan’i Márcio sakafo àry ny mpandeha hafa satria tsy nalain’ny mpanendaka ny poketrany, ka fitoriana lehibe izany.

Nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Osvaldo, tany Silia. Naharay filazana fohy izy tany am-piasany fa tsy maintsy hanomboka hiasa alahady. Nilaza tamin’ny lehibeny izy fa ny fiasana alatsinainy ka hatramin’ny zoma no nifaneken’izy ireo. Hoy koa i Osvaldo: “Vao haingana aho no nanambady ka mila miaraka amin’ny vadiko. Natokako hanaovan-javatra ho an’Andriamanitra koa ny alahady.” Nilaza àry ilay lehibeny fa horoahina i Osvaldo ny faran’ny volana. Izy irery tamin’ireo mpiasa 3 000 teo ho eo no tsy niasa alahady. Namonjy fivoriana hatrany kosa izy, ary nitoky tamin’i Jehovah.

Nisy mpitantan-draharaha ambony avy tany Frantsa nitsidika an’ilay orinasa, tsy ela taorian’izay. Nijanona teo amin’ny biraon’i Osvaldo izy mba hidera azy noho ny asa tsara vitany. Hoy ilay mpitantan-draharaha: “Ianao irery no tsy manana lalao ao amin’ny ordinateranao, sady milamina ny asanao.” Nisaotra azy i Osvaldo, ary nilaza koa fa hiala tsy ho ela tao amin’ilay orinasa ny tenany. Nanontany toy izao ilay mpitantan-draharaha: “Nahita asa tsara kokoa angaha ianao?” ‘Tsia’, hoy i Osvaldo, ary nohazavainy ny toe-javatra.

Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nasaina ho tonga tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ilay lehibeny sy ilay mpitantan-draharaha izy. Henjana ny rivo-piainana. Hoy ilay mpitantan-draharaha: “Tsy hiasa alahady ianao ry Osvaldo, ary mahalana no hiasanao asabotsy. Homena andraikitra fanampiny ato amin’ny orinasa koa ianao.” Natao batisa tamin’io herinandro io i Osvaldo. Samy mpisava lalana mpanampy izao izy mivady.

Sambany ny tovolahy iray tany Ekoatera, natao batisa tamin’ity taona ity, vao voatendry hanao ny anjara lahateniny tao amin’ny kilasy lehiben’ny Efitrano Fanjakana. Tombontsoa lehibe taminy izany ka nanomboka nanangom-bola hividianana kompile vaovao izy. Rehefa nahangona 192 000 FMG teo ho eo izy, dia reny fa nisy anabavy teo anivon’ny fiangonana tsy nanam-bola hividianana fanafody. Nomeny an’ilay anabavy daholo ilay vola voangony, ary hoy izy: “Ho tian’i Jehovah foana aho rehefa hanao ilay lahateny, na manao ilay kompile tonta na manao kompile vaovao!”

Nanao fitoriana teny an-dalana ny anabavy iray tany Goatemalà. Nahita rangahy nipetraka teo an-tokonam-baravarana izy, nefa nieritreritra fa tsy tokony hitory taminy satria tsy tao amin’ny faritanin’ny fiangonana nisy azy ilay trano. Nandalovany fotsiny ilay rangahy nefa nahatsapa ho voatosika hiresaka taminy indray izy. Niverina àry izy ka niresaka taminy momba ny Fanjakan’i Jehovah. Nihaino tsara ilay rangahy. Hoy izy avy eo: “Misaotra anao aho madama tonga niresaka tamiko, satria hamono lehilahy iray ho avy eto amin’ny 7.45 maraina no ahatongavako eto. Izy ho faty fa izaho kosa higadra! Fantatro fa tsy nahim-ponao no nahatongavanao teto; nirahin’Andriamanitra hanketo amiko ianao mba hahafantarako ny fitiavany. Handeha hody avy hatrany aho sao dia hahavanon-doza eto. Andriamanitra anie hitahy anao!”

Nanao ezaka manokana ny biraon’ny sampan’i Kolombia, nandritra ny Desambra 2000 sy Janoary 2001 mba hitoriana tany amin’ireo faritany nitokana. Nampirisihina hifindra tany amin’ireny faritany ireny nandritra ny herinandro ka hatramin’ny iray volana ireo Vavolombelona any amin’io tany io, arakaraka ny tarehin-javatra nisy azy, mba hitory sy hanolokolo ny fahalianana.

Naniry handray anjara tamin’izany ny anabavy tanora iray avy tany Bogotá, ka nankany amin’ny tanànan’i Guasca. Tena nahafaly azy ny roa volana laniny tany, ka nangataka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy hahita asa hahafahany hijanona tany. Nividy voaniho hanaovany mofo izy ary nivarotra izany teny amoron-dalana sy tany amin’ny trano fivarotana. Nanasa lamban’olona sy nipasoka koa izy ary nianatra nitery ronono mihitsy aza. Izany no ahafahany mamelon-tena sy manohy ny asan’ny mpisava lalana maharitra any Guasca. Mitarika fampianarana Baiboly 25 izy.

Nisy olona tany Jamaika, nilaza tamin’ny anabavy iray fa tsy hisy mihitsy haharesy lahatra azy ho tonga Vavolombelona. Nohazavain’ilay anabavy fa ny hitondra ny hafatra ara-baiboly, anisan’izany ny fanantenana fiainana mandrakizay, no anton’ny fitsidihany. Rehefa niresaka izy ireo, dia voamarik’ilay anabavy fa tena nanaja ny Baiboly ilay ramatoa. Voamariny koa fa na dia nisy hevitra notoherin’ilay ramatoa mafy aza, dia resy lahatra izy rehefa namakiana andinin-teny nifanentana. Nanosika an’ilay anabavy hampiasa be dia be ny Baiboly izany, rehefa nitsidika an’io olona io izy, ary tatỳ aoriana koa rehefa natomboka ny fianarana Baiboly. Nanomboka nanatrika fivoriana ilay mpianatra tatỳ aoriana, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa, dia ilay nolazainy teo am-boalohany fa tsy hataony mihitsy.

Nampianatra mpivady i Carol, anabavy any Bolivia. Katolika nafana fo ny renin’ilay rangahy ary tranon’izy io no nipetrahan’izy ireo. Namonjy lamesa sy filaharan’ny mpivavaka foana io ramatoa io, ary voaravaka sary masina nasiana labozia nirehitra ny tranony. Indray andro, nandritra ny fianarana, dia niditra tampoka ilay reny, nitondra Baiboly katolika teny an-tanany, ary nihantsy nivantana an’i Carol nanao hoe: “Aiza ho aiza ato no misy filazana fa nanan-janaka hafa i Maria?” Nasehon’i Carol azy ny Matio 12:46-50 sy 13:55. Nangaihay izy, ka lasa. Niverina izy rehefa afaka minitra vitsivitsy, kevoka erỳ nitondra Baiboly hafa indray, izay sady lehibe no nisy ranom-bolamena sy sary. Lasa indray izy rehefa avy naseho azy ireo andinin-teny ireo ihany. Vetivety teo dia niditra indray izy nitondra Baiboly hafa, nefa mbola nitovy ihany ny nolazain’ireo andinin-teny. Tsy nahateny izy.

Mbola tonga nametraka fanontaniana ihany izy nandritra ireo herinandro nanaraka, nefa nanomboka nihanalefaka. Nahavariana azy ireo valin-teny. Tsy ela dia nanaiky hampianarina manokana izy. Niova ho zotom-po ho an’ny fivavahana marina ilay zotom-pony ho an’ny Fivavahana Katolika teo aloha. Nanomboka nitondra ireo namany tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, ary natao batisa, rehefa nandeha ny fotoana.

Azia sy Moyen-orient

Nanome ny bokikely Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! ho an’ny lehilahy iray katolika sy ny vadiny bodista i Gary, mipetraka any Sri Lanka. Nanizingizina ilay ramatoa fa ny vadiny ihany no naniry hahalala misimisy kokoa ny Baiboly. Tamin’ny fitsidihan’i Gary nanaraka anefa, dia nilaza izy fa nahaliana azy koa ny hahalala ny fomba hahatongavana ho sakaizan’Andriamanitra. Natomboka ny fianarana an’ilay bokikely ny herinandro nanaraka, ary nangataka Baiboly ilay mpivady. Hoy ilay ramatoa: “Araka ny hevitro dia mila Baiboly izahay raha te ho sakaizan’Andriamanitra.”

Lasa narisika tamin’ny fianarana ilay ramatoa rehefa nianatra ny lesona faha-3 tao amin’ny bokikely Sakaizan’Andriamanitra ry zareo. Nanatrika ny fianarana tamin’io takariva io koa ny tovolahy nipetraka tao amin’izy mivady. Nitondran’i Gary Baiboly izy ireo, andro vitsivitsy talohan’ny fianarana fahefatra. Napetrak’izy ireo avy hatrany niaraka tamin’ireo bokikely nilamina tsara teo ambony latabatra ilay izy. Kevoka erỳ izy ireo, tamin’ilay takariva nanaovana ny fianarana fahefatra, naka an’ilay Baiboly efa nasiana kofehy manga maro. Hoy ilay rangahy: “Voaomanay ny lesona manontolo.” Efa hitan’izy ireo daholo ny andinin-teny voatonona tao amin’ilay lesona, ary efa nomarihiny tamin’ny kofehy manga ny pejy nisy azy ireny.

Liana tamin’ny fahamarinana i Rowena, reny mitaiza irery ny zanany ary vao 20 taona mahery kely, mipetraka any Philippines. Natomboka ny fianarana Baiboly niaraka taminy, ary tsy ela dia nanomboka nanatrika fivoriana izy. Sahirana ara-bola anefa izy, ka voatery nandao ny tanànany mba hitady asa tany amin’ny tanàna lavitra. Mpanampy tao amin’ny fianakaviana katolika nafana fo izy tany. Mba nasainy natoro azy ny toerana nisy ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra tao amin’ilay tanàna, nefa tsy vonona hanampy azy hifandray tamin’ny Vavolombelona ilay fianakaviana.

Volana maro no lasa ary nivavaka mafy tamin’i Jehovah i Rowena mba hanao izay hihaonany tamin’ny Vavolombelona ka hanohizany ny fianarany Baiboly. Naneno ny telefaonina indray maraina, ary izy no namaly. Hoy ilay niantso: “Allô! Ny Efitrano Fanjakana ve izao?”

Izao no navalin’i Rowena avy hatrany: “Mitady ny Efitrano Fanjakana aho, ka mba afaka manampy ve ianao?” Nisy fandaharana natao. Nanohy indray ny fianarany i Rowena ary vita batisa izy izao.

Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’i Rosia ny zazavavy iray 12 taona. Hoy izy: “Zazavavy tso-piaina aho ary mipetraka atỳ amin’ny faritr’i Tyumen atỳ Siberia. Sambany izahay tatỳ lavitra tatỳ, vao mba nahazo ny gazety Tilikambo Fiambenana, tsy ela izay. Tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny sekolinay no nahitako ilay izy. Tapa-kevitra ny hitondra azy io tany an-trano aho mba hovakiko. Zava-baovao nahaliana maro no nianarako tao anatiny. Nahafinaritra ahy na dia ny fijerena ireo sary fotsiny aza. Te hahazo fanazavana fanampiny aho. Te hianatra ny bokin’ny Apokalypsy sy ny Baiboly aho, ary te hahalala misimisy kokoa momba ny fikambananareo.” Nisy fandaharana natao mba hanampiana azy.

Nitsidika trano iray ny Vavolombelona roa nandritra ny fitoriany isan-trano tany Liban. Rehefa avy nandondòna izy ireo dia nahamarika filazana fa tsy nandray Vavolombelon’i Jehovah ny tompon-trano. Nisy rangahy niseho teo am-baravarana. Nampiresahin’izy mirahavavy izy, ka nampandroso. Rehefa fantany fa Vavolombelona izy ireo, dia nanontaniany raha novakiny ilay filazana teo am-baravarana. “Eny tompoko, saingy efa nandondòna izahay vao hitanay ilay izy”, hoy ny navalin’izy ireo. Nanazava ilay rangahy avy eo fa an’ny ray aman-dreniny izay tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ilay trano. Naniry hahafantatra misimisy kokoa anefa izy, ary tena liana satria nisy filazana maro toy ireny hita teny am-baravarana tao amin’ilay faritra.

Nitsidika an’ilay rangahy tany an-tranony ireo anabavy. Natomboka ny fianarana Baiboly tamin’izy mivady, ary tsy ela dia nivory sy nampihatra izay nianarany izy ireo. Nilaza ilay rangahy fa mbola tsy nanokatra Baiboly mihitsy izy, fa ny Vavolombelona no sady nanampy azy hamaky azy io no nanampy azy hahazo ny heviny.

Misy anabavy iray any Korea, mametraka Baiboly miaraka amin’ireo boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toeram-pikojakojana hatsaran-tarehy tantanany. Matetika koa izy no mandefa ny kasetin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Rehefa nandre io kasety io ny ramatoa iray dia nanafatra iray, ary nanomboka nianatra Baiboly. Nisy vadina pasitera koa nanontany momba ireo kasety, ka nilaza fa mbola tsy nandre zavatra nampisaintsaina tahaka an’io mihitsy izy tany am-piangonany. Nangataka an’ireo kasety koa izy ary nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelona. Nanjary liana koa ny Bodista iray ka mianatra Baiboly izao, rehefa nahita an’ireo boky sy gazety ireo tao amin’ilay toerana. Lasa mpisava lalana maharitra ilay anabavy mba hikarakarany ny zavatra ara-panahy nilain’ireny olona nitoriany tsy ara-potoana ireny.

Nitory tamin’ny lehilahy iray nandehandeha teny amin’ny arabe ny mpivady mpisava lalana manokana any Malezia. Nasain’ilay rangahy nankany an-tranony izy mivady, satria be fanontaniana izy. Nanaiky ry zareo, ary nahaliana ny resak’izy ireo. Rehefa handao an’ilay rangahy izy ireo mba hanatrika ny Fianarana Boky, dia nasainy hiaraka taminy izy, ka nandeha. Tiany ilay fivoriana. Nomen’izy mivady bokikely Takina izy avy eo, ary natao ny fandaharana mba hitsidihana azy ny ampitso. Rehefa tonga ilay mpivady dia nilazany fa nody izy taorian’ilay fivoriana iny takariva iny, nefa niari-tory hatramin’ny efatra maraina, namaky ilay bokikely sy nivavaka.

Mpitondra fivavahana tao amin’ny Kristianisma Anarana io rangahy io. Nianatra tany amin’ny sekoly teolojika nandritra ny taona maro izy, nefa tsy nety azony mihitsy ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray. Ny bokikely Takina no nisarika ny sainy ho amin’ny andininy ara-baiboly nampiharihary ny marina momba an’io foto-pampianarana tsy araka ny Soratra Masina io. Faly be izy nahalala hoe iza marina Andriamanitra, ka hoy izy tamin’izy mivady: “Tsy mino ny Andriamanitra telo izay iray intsony aho.” Tsy nety nitory teny tany am-piangonany intsony izy nanomboka teo, fa nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona kosa.

Nianatra ireo boky sy gazety ara-baiboly avy tamin’ny Vavolombelona ilay rangahy. Nampitahainy tamin’ny zavatra noraisiny an-tsoratra nandritra ny fianarany teolojia izay zavatra nianarany. Tapa-kevitra ny hanova ny fiainany manontolo izy, rehefa afaka tapa-bolana. Hianatra teolojia tany amin’ny Oniversite Trinity (Andriamanitra Telo Izay Iray) any Singapour no nialany tany Inde. Hoy anefa izy: “Ahoana no handehanako any amin’io oniversite io? Ny anaran’izy io aza Andriamanitra telo izay iray!” Lasa nody tany Inde izy, ary dodona nifandray tamin’ny Vavolombelona tany. Hoy izy tamin’ny fo feno fankasitrahana: “Hitako ny fahamarinana!”

Nisy anabavy teraka tany Kazakhstan, tena natahotra mafy ny hitory tamin’ny mpiray tanindrazana taminy. Tany amin’ny faritany nisy olona hafa foko no nitoriany, rehefa nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izy. Tojo ramatoa avy tany Kazakhstan anefa izy indray andro, tao amin’ny faritaniny. Nanaiky handray an’ilay Mifohaza! natolony azy izy. Tapa-bolana tatỳ aoriana ilay anabavy vao ampy herim-po nitsidihana azy. Gaga izy nahita an’ilay ramatoa sorena noho ny tsy nahatongavany taloha kokoa. Notaritiny, ara-bakiteny, nankao an-tranony ilay anabavy, dia nasehony azy ny boky Fahalalana, ary hoy izy: “Andao isika hianatra Baiboly!” Natao batisa tany amin’ny fivoriamben’ny faritra ilay ramatoa sy ny zanany lahimatoa, rehefa afaka elaela. Mpitory tsy vita batisa koa izao ny zanany faralahy, ary samy mianatra Baiboly ny zanany vavy sy ny zanak’olo-mpiray tam-po aminy ary ny zanak’anadahiny.

Nifandray tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Atoa John, izay naniry hanavao ny famandrihany tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny mpisava lalana manokana iray tany amin’ny tany iray any Moyen-Orient. Nanazava Atoa John fa Vavolombelona hatramin’ny ela ny raibeny mipetraka any Inde. Nanatrika fivoriana kristianina izy tany, saingy efa 19 taona no nipetrahany tao amin’io tany any Moyen-Orient io. Tsy fantany ny fomba nifandraisana tamin’ny Vavolombelona tao an-toerana.

Rehefa nampirisihin’ilay mpisava lalana mba hanatrika fivoriana Atoa John, dia namaly fa nifanindry tamin’ny fivoriana “fianarana Baiboly sy fivavahana” nataony tao an-tranony ilay izy. Nisy namany karàna 25 niara-nianatra Baiboly tamin’Atoa John, ka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky Fahalalana no nampiasain’izy ireo. Efa nandritra ny taona maromaro izy ireo no nivory isan-kerinandro. Tsy nisy afa-tsy mpitory 12 tao amin’ilay antokon’olona niteny anglisy tao, nandritra izany fotoana izany. Notsidihina ilay antoko-karàna, ary nisy dingana natao mba hikarakarana ny ara-panahin’ireo olona liana ireo.

Nisy zazavavy iray nipetraka tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty niandraiketan’ny mpiasa an-tsitrapo koreanina, tany Népal. Tamin’izy nianatra tao amin’ny sekolin’io trano fitaizana zaza kamboty io, dia nisy mpampianatra azy nilaza fa nahita ny “tena Kristianina.” Nihevitra foana io zazavavy kamboty ray io fa Kristianina marina ny tenany. Nampieritreritra azy ilay filazana, satria nihevitra toy izany koa ireo olona nitantana an’ilay trano fitaizana zaza kamboty. Liana te hahafantatra izy ka naniry hihaona tamin’izany “tena Kristianina” izany. Hay niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay mpampianatra azy, ary nivory tsy tapaka. Niresaka taminy ilay zazavavy ary niara-nanatrika fivoriana taminy. Tena nampiaiky volana azy izay hitany tany, ka nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany izy. Nandroso haingana ilay zazavavy ka vita batisa tao anatin’ny efa-bolana, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.

Eoropa

Misy fampirantiana atao isan-taona any Londres, Angletera, mba hanomezana vaovao ho an’ny fikambanan’ny marenina. Nanangana trano heva nisy Baiboly sy boky ary gazety, mbamin’ny vidéo Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? amin’ny baiko moana anglisy, ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly be ny ramatoa marenina iray nahita ilay trano heva, ka nanatona mba hilaza fa efa nitady Vavolombelona marenina hatraiza hatraiza izy. Nohazavainy fa efa nisy Vavolombelona marenina niresaka taminy matetika tamin’izy nipetraka tany Mongolia. Rehefa maty anefa ny rainy vao tsapany ny hasarobidin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ka nanomboka nianatra Baiboly izy. Nifindra tany Angletera izy enim-bolana tatỳ aoriana, ary nahita Efitrano Fanjakana, nefa tsy azony ny fivoriana ary tsy nilaza izy fa marenina. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hahita Vavolombelona marenina ary dia nahita izy. Samy mianatra Baiboly izao izy sy ny zanany vavy ary manatrika ireo fivoriana amin’ny baikon’ny moana.

Nahamarika i Andreia, Vavolombelona valo taona tany Portogaly, fa nalahelo mafy ny mpiara-mianatra iray taminy satria nisaraka ny ray aman-dreniny. Nahazo an’ilay Mifohaza! 8 Janoary 2001 nanasongadina ny hoe “Azo Avotana ve ny Fanambadianay?” i Andreia, andro maromaro taorian’izay. Maika erỳ izy nanazava tamin-dreniny fa hahasoa ny ray aman-drenin’ilay mpiara-mianatra taminy ireo lahatsoratra. Nanateran’i Andreia gazety iray avy àry ny ray sy ny renin’ilay ankizy.

Fotoana fohy taorian’izay, dia hoy ilay mpiara-mianatra tamin’i Andreia: “Miara-mipetraka indray izao i Dada sy Neny, ary nasain’i Dada nilaza taminao aho fa tafaray izahay mianakavy izao noho iny gazety nomenao anay iny!” Nomen’i Andreia ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ilay fianakaviana avy eo. Mampianatra Baiboly ny renin’ilay mpiara-mianatra izao ny renin’i Andreia.

Rehefa nitory tany Italia ny Vavolombelona roa, dia tojo lehilahy zokiolona, ary nampiseho taminy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nilaza ilay rangahy fa tsy nahay namaky teny. Nanazava izy fa lasa mpiandry ondry tamin’izy fito taona. Nipetraka tany an-tendrombohitra nandritra ny 15 taona izy taorian’izay, ary ny ondriny no mba namany. Tsy mba nianatra mihitsy izy. Rehefa niandry ny ondriny izy, dia nivavaka mafy mba hahafantatra an’Andriamanitra tsaratsara kokoa. Hoy izy tamin’ireo rahalahy tonga nitsidika: “Raha mba afaka namaky an’ireo boky sy gazetinareo mantsy aho, dia ho tanteraka ny nofinofiko.”

“Mbola afaka mianatra mamaky teny ange ianao e!”, hoy ny iray tamin’ireo rahalahy. Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay mpiandry ondry ny ampitso. Nanampy azy hianatra hamaky teny sy hanoratra ny Vavolombelona. Mpamaky tsy tapaka ny Baiboly sady mpitory ny vaovao tsara tsy mety sasatra io zokiolona io, ankehitriny.

I Groenlandy, izay ampiarahina amin’i Eoropa eto, no nosy lehibe indrindra eran-tany, na dia 56 000 eo ho eo monja aza ny mponina ao aminy. Misy fiangonana fito any, ary tena kely ny sasany amin’ireo.

Mpitory tsy vita batisa eo anivon’ireo fiangonana ireo i Harald, 15 taona. Tsy nandeha i Harald rehefa nisy dia nalehan’ny iray kilasy taminy. Kilasy hafa no niarahany, satria nasaina hiresaka momba ny fivavahany ny mpianatra tao amin’io kilasy io. Nomena roa volana teo ho eo ny mpianatra mba hiomanany, nefa vitsy no mba nanan-kambara ary izy ireo aza tsy niteny afa-tsy minitra vitsivitsy monja. Koa satria mbola nisy antsasak’adiny vao tokony hirava, dia nanontany toy izao ny mpampianatra: “Inona no hataontsika mandra-pirava?” Nanangan-tanana i Harald, ilay mpitsidika, ary nilaza fa ho faly hiresaka tamin’izy ireo momba ny fivavahany.

Hoy ilay mpampianatra: “Marina ve? Tsy nanam-potoana niomanana ange ianao e!” Nilaza i Harald fa vonona, ary dia nanomboka nanao fitoriana tsara tamin’ilay kilasy izy. Rehefa fantatr’ilay tena mpampianatra an’i Harald izay nataony, dia mba nasainy nanao toy izany tamin’ireo iray kilasy taminy koa izy. Nomena herinandro hiomanany izy tamin’io. Nitondra boky sy gazety maro izy mba haseho an’ireo mpiara-mianatra taminy sy ilay mpampianatra azy.

Naniry hanao batisa ny zanany menavava i Pia, mipetraka any Danemark. Niady hevitra momba izany izy mivady satria tsy nino ny fanaovam-batisa zazakely ilay vadiny. Tapa-kevitra ny hiresaka an’ilay raharaha tamin’ny pasiterany izy ireo, tamin’ny farany. Nilaza ilay mpitondra fivavahana fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fanaovam-batisa zazakely. Tezitra tamin’ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana i Pia, satria nampinoana zavatra diso izy nandritra ny 32 taona. Tsy nieritreritra ny hanao batisa ny zanany kely intsony izy, fa tapa-kevitra ny hamaky Baiboly kosa mba hahafantarany izay marina sy diso.

Nanaiky hianatra Baiboly i Pia rehefa notsidihin’ny Vavolombelona tamin’ny May 2000. Hoy izy taorian’ny nanatrehany ny fivoriamben’ny vondrom-paritra: “Mbola tsy azoko ny zavatra rehetra, nefa tena fantatro izao fa tsy manana ny fahamarinana ny Fiangonana Loteranina eto Danemark.” Efa mpitory izy izao, ary mandroso haingana ho amin’ny batisa.

Nipetrapetraka niaraka tamin’ny zanany lahy tao amin’ny zaridainam-panjakana ny rahalahy iray tany Slovenia. Nahamarika tovovavy iray nihataka tamin’ilay antokona mpianatra niarahany izy ary nanomboka niresaka zavatra ara-panahy taminy. Nanomboka nampianatra Baiboly an’io mpianatra antsoina hoe Silvia io ilay rahalahy sy ny vadiny, tatỳ aoriana. Nentiny niara-nianatra Baiboly taminy koa ny tovolahy niarahany, ka mianatra koa izy izao. Niresahan’i Silvia fahamarinana koa ny reniny, ka nanomboka nianatra. Manatrika fivoriana tsy tapaka any amin’ny Efitrano Fanjakana izao izy telo mianaka. Mpitory tsy vita batisa i Silvia. Mahaliana ny mahafantatra fa tamin’ilay andro nifankahitany tamin’ilay rahalahy, dia tsaroany fa nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hahatakatra hoe nahoana ity tontolo ity no adala toy izao.

Nirohotra nankany Espaina ireo mpifindra monina avy tany Amerika Atsimo sy Afovoany, tato anatin’ireo taona faramparany. Niresaka tamin’ny ramatoa iray avy any Kolombia ny anabavy mpisava lalana nitory isan-trano. Nihaino tsara izy ary nanaiky hianatra Baiboly. Rehefa niverina nitsidika ilay anabavy, dia nanolotra fampianarana tamin’ireo olon-kafa nifanila trano tamin’ilay ramatoa. Nanaiky ny maromaro tamin’izy ireo. Mifindra trano tsy an-kijanona ny olona ao ka nitorian’ilay anabavy daholo izay sendra azy tao. Fampianarana Baiboly 20 no efa natombony hatramin’izao. Efa nisy ny nifindra trano ka tsy fantatra na nitohy na tsia ny fianarany. Fampianarana folo anefa izao no tarihiny tsy tapaka, ary efa misy manatrika fivoriana.

Efa hatramin’ny 40 taona no nihainoan’ny vehivavy 82 taona any Kreta ny hafatra momba ilay Fanjakana, nefa vao haingana izy no lasa mpitory tsy vita batisa. Ny fanehoam-piheveran’ny anabavy iray mpisava lalana manokana taminy no nampirisika azy handroso, ka vita batisa izy.

Tsy ela dia nanaraka ny ohatra nomen’io vavy antitra io ny mpianakaviny hafa. Nanomboka nianatra Baiboly ny vadiny 86 taona, izay nifoka sigara nandritra ny 60 taona, ka afaka tamin’izany ary lasa mpitory tsy vita batisa. Mandroso tsara koa ny fianaran’ny zanakavavin’izy mivady 55 taona. Manatrika fivoriana izy ary tsy mifoka intsony. Nanomboka nianatra koa ny iray tamin’ny zafiafiny, tamin’ny farany, ary nilaza ny faniriany hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

Rehefa nitory tao amin’ny trano nifanila tamin’ilay nipetrahany ny anabavy misionera tany Estonia, dia sendra vehivavy nanontany azy raha nanana vady be fitiavana izy. Eny ny valin-tenin’ilay anabavy. Nanontany ny fonenany ilay ramatoa avy eo. Nilaza ilay anabavy fa mpifanila trano ry zareo. Taitra ilay ramatoa tamin’izay ary nilaza hoe: “Hay ve, ianao izany, ... tsy maintsy ianao izany ilay izy. Matetika ianao no misakafo eo an-davarangana, sa tsy izany?”

“Ia, izahay mivady,” hoy ilay anabavy namaly.

Hoy indray ilay ramatoa: “Nandinika anareo aho. Ny vadinao izany ilay manao aron’akanjo iny, ary izy no matetika mandroso ny sakafo. Tena hitako fa sambatra tokoa ianareo! Tsy tazako avy eto an-tranoko ianareo, fa mankeny an-davarangan’ny namako foana aho mba handinika anareo. Voamarikay fa mivavaka foana ianareo alohan’ny hisakafoana. Mahafinaritra erỳ ny mahita izany. Mba miantranoa re!” Lasa fiverenana mitsidika tsy tapaka ilay ramatoa nanomboka teo.

Oseania

Io faritra io dia mahafaoka an’ireo nosy any atsimo sy andrefana ary afovoan’ny Oseana Pasifika, anisan’izany i Melanezia sy Mikronezia ary Polinezia. Tafiditra ato koa i Aostralia, Nouvelle-Zélande sy ny Vondronosy malezianina ary ireo Nosy Hawaii.

Indray andro, dia nahita ramatoa niasa tao an-jaridainany ny anabavy roa tany Nouvelle-Zélande. Nijanona izy ireo mba hanampy azy hanongotra volotsangana. Gaga tamin’ny hatsaram-panahin’izy ireo ilay ramatoa, ka nandroso kafe azy ireo, ary dia nitory taminy ireo anabavy. Nanoratra momba io zava-nitranga io tany amin’ny gazety teo an-toerana ilay ramatoa. Nifandray tamin’ny fiangonana ilay mpanao gazety mba hilazana fa izy ireo no nahazo ny fehezam-boninkazo tsara tarehy noho ny hatsaram-panahiny.

Hoy ilay lahatsoratra: “Ara-dalàna tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny nanongotra ny volontsangana nanelingelina ny vehivavy iray maty vady. Nanampy olona sahirana izy ireo. Faly be ilay ramatoa satria tsara fanahy taminy izy ireo. Tena velom-pankasitrahana io Olona io ka nitantara taminay ny zava-drehetra. Voafidy hahazo ny fehezam-boninkazon’ny volana Aogositra io tantara io. Manantena izahay fa hahafaly an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ilay fehezam-boninkazo, toy ny nahafaly an’ilay ramatoa noho ny hatsaram-panahin’izy ireo.”

Nitory tamin’ny tovovavy niasa tao amin’ny magazay ny mpisava lalana mirahavavy tany amin’ny iray amin’ireo nosy Vanuatu. Sady nanaiky handray ny bokikely Takina izy no nanaiky fampianarana Baiboly. Nanohitra mafy ny rainy, ka tsy nanaiky ny hiarahan’ny Vavolombelona hianatra tamin-janany. Nopotehiny ireo boky sy gazetin-janany, nokapohiny mafy izy ary nasainy niala tao an-trano, tamin’ny farany. Nandritra izany fotoana izany, dia nandroso tamin’ny fahalalana ilay zazavavy, nanatrika fivoriana ary namboly ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22, 23) Nampiaiky volana an-drainy ny fihetsiny feno fanajana, rehefa nandeha ny fotoana, ka nitony ilay rangahy ary nangataka azy hiverina tao an-trano. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ilay zazavavy ary nanatrika voalohany ny fivoriamben’ny faritra tao amin’ny nosy Santo teo akaiky. Nitsiky izy rehefa nanontaniana ny amin’ny fomba nahafahany nanao ilay dia, ary namaly hoe: “I Dada no nandoa ny saran-dalako.”

Lehilahy sariaka i Clarence, ary nandray foana an’ireo gazety isaky ny nisy mpitory tonga tao an-tranony tany Hawaii. Nomarihin’ny mpisava lalana iray tojo azy indray andro, fa nanana ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany i Clarence, ka nanolo-kevitra ny hampianatra Baiboly azy izy. Nanaiky avy hatrany i Clarence, ary nilaza fa faniriany hatramin’izay ny hianatra Baiboly. Nanomana tsara ny fianarany i Clarence, ary tsy ela dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny fiangonana.

Tsy maintsy nanao fiovana anefa i Clarence. Miaramila menavazana tamin’ny Ady Lehibe II izy, ka faly erỳ niara-nanao matso tamin’ireo miaramila namany rehefa tonga ny fety. Nanolo-tena mba hampaneno ny lakolosy koa izy rehefa nitanty rakitra ny Tafiky ny Famonjena, tamin’ny fotoan’ny Krismasy. Elaela ihany vao takany ny dikan’ny hoe tsy anisan’izao tontolo izaon’i Satana. Nahafeno fepetra mba handray anjara tamin’ny fitoriana anefa izy, rehefa nandeha ny fotoana.

Natao batisa i Clarence tamin’izy 85 taona, ary mbola mpitory marisika hatramin’izao. Mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy. Vao haingana izy no nianatra nampiasa ordinatera mba hanaovany fikarohana ao amin’ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM. Nilaza tamim-piekena mafy toy izao i Clarence: “Nahita ny fahamarinana aho izao, ka tsy hisy mihitsy ho afaka hampiala ahy amin’ny fanompoana an’i Jehovah.”

Nandritra ny fitoriana an-telefaonina nataony, dia nanontany ny lehilahy iray ny anabavy tany Aostralia, raha ho afaka hanokana 15 minitra isan-kerinandro hiresahana momba ny Baiboly izy. Namaly ilay rangahy fa tsy nisy hevitra mihitsy ny amin’izany. “Ary ahoana raha dimy minitra?”, hoy ilay anabavy. Nanaiky tsy satry ilay rangahy. Natomboka ny herinandron’io ilay fianarana naharitra dimy minitra. Tsy ela dia nanomboka nametraka fanontaniana nampisaintsaina izy. Toy izao no nolazain’ilay anabavy, satria nohazoniny ho dimy minitra hatrany ilay fianarana: “Tsara ny fanontanianao, saingy tapitra ny fotoana, ka io no horesahintsika amin’ny manaraka. Veloma tompoko.”

Rehefa nanontany ny fomba ahafantarana ny fivavahana marina ilay rangahy, dia natao foto-kevitry ny lesona nanaraka izy io. Hoy izy, taorian’ilay lesona: “Tsy maintsy ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny fivavahana marina, saingy tsy afaka hino fotsiny izany aho ka hiova finoana. Heveriko fa mila mianatra bebe kokoa aho.” Nitombo tsikelikely ka tonga 30 minitra ilay fianarana naharitra 5 minitra tamin’ny voalohany, rehefa nihaliana izy.

Rehefa vitan’izy ireo ny bokikely Takina, dia nanontany an’ilay rangahy ilay anabavy raha ho afaka hihaona taminy tany an-tranony izy mivady, mba hiresaka momba izay efa nianarany. Nanaiky ilay rangahy. Nitsidika azy ry zareo, ary naneho ny fifaliany nanana tombontsoa nanampy azy nandritra ny enim-bolana ka nampirisika azy hanohy. Ny vadin’ilay anabavy izao no mankany an-tranon’io rangahy io isan-kerinandro mba hitarika ilay fampianarana.

Mbola misy faritra maro tsy nitoriana ny vaovao tsara any Papouasie-Nouvelle-Guinée, satria saro-dalana ireo tanàna kely. Ny hany fomba ifandraisana amin’ny olona avy amin’ireny tanàna kely ireny, amin’ny ankapobeny, dia ny mihaona aminy rehefa tonga hividy zavatra any an-tanàn-dehibe izy ireo. Tamin’izany fomba izany no nahazoan’ny rangahy iray Ny Tilikambo Fiambenana. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana izy, rehefa avy namaky ilay gazety, mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa. Nisy misionera nasaina nifandray taminy. An-taratasy no hany fomba nanaovana izany, ka vokatr’izany dia maro ny fampianarana notarihina an-taratasy.

Tapa-kevitra ny hitsidika an’ilay faritra ny misionera sasany, ka nanainga nitondra fiara 4x4. Naharitra adiny enina ilay dia, tamin’ny lalana anaty akata nampidi-doza mazàna, sady niolakolaka namakivaky vozontany tery tany an-tendrombohitra sy niampita ony. Nisy fotoana, fanambanin’ny ony no “lalana.” Rehefa tonga tany an-toerana izy ireo, dia nahita tany lemaka kanto 10 ka hatramin’ny 12 kilaometatra toradroa, voahodidina tendrombohitra avo lonaka, rakotry ny ala mikitroka. Toy ny hoe toerana tamin’ny fahagolan-tany ilay izy. Vita tamin’ny volontsangana ny trano, toy ny tamin’ny taloha ela be. Rehefa ren’ny mponina fa tonga ireo misionera, dia niara-nirohotra izy hihaona tamin’izy ireo. Mbola tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroany, nefa efa nianatra Ny Tilikambo Fiambenana indroa isan-kerinandro ary saiky efa niala tamin’ny Fiangonana Loteranina izy rehetra.

Nasehon’ireo misionera ny fomba fitarihana fivoriana, ary nolazainy koa fa hisy lahateny ho an’ny besinimaro ny ampitso tamin’ny valo maraina. Nifoha tamin’ny efatra sy sasany maraina ny lehilahy sasany ny ampitso ary nankany amin’ireo tanàna kely teo akaiky mba hanasa ny olona hanatrika ilay lahateny. Ny sisa nanangana efitrano mba hanaovana ilay fivoriana. Rantsankazo lehibe no natao dabilio ary rantsankazo nisy raviny no natao alokaloka. Nisy lampihazo natao tamin’ny volontsangana ho an’ny mpandahateny. Dodona ny rehetra. Nisy 44 no nanatrika ilay fivoriana, ary olona vaovao 11 no nanome ny anarany mba hampianarina an-taratasy. Vizana be ireo misionera rehefa nody, nefa afa-po tanteraka tamin’ny zava-bita.

[Sary, pejy 45]

Mitarika fampianarana Baiboly maro i Grant, valo taona, any Zambia

[Sary, pejy 57]

Trano heva nampisehoana an’ireo zava-baovao ho an’ireo marenina any Angletera