Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
NIROBOROBO hatrany ny fandaminan’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana lasa. Miharihary ny fitahian’Andriamanitra satria maherin’ny enina tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235. Tsy mivadika aminy izy ireo ary mino ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana nampanantenainy. Tsy mitonona ho mpanompon’Andriamanitra fotsiny izy ireo, fa mpitory marisika ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny efa voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14. ‘Miorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy hatrany, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’ izy ireo, araka ny andinin-teny ho an’ny taona 2001.—Kol. 4:12, NW.
Maro ny zava-niseho nampientam-po teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra nandritra iny taona iny. Andeha hodinihintsika ny sasantsasany amin’izy ireny.
Fivoriambe natao hampianarana an’ireo mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra
Anisan’ny zavatra tsy hay hadinoina tamin’ny taon-dasa ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra.” Toerana an-jato no nanaovana azy io naneran-tany, nanomboka tamin’ny tapaky ny 2001 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 2002. Olona an-tapitrisa no nanatrika. Nohazavain’ny mpandahateny iray, tamin’ny andro voalohany, ny foto-kevitr’ilay fivoriambe naharitra telo andro. Hoy izy: “Tsy ny hanome fanalahidin’ny fahalalana ho an’ny manam-pahaizana vitsy izay sangany amin’ny fahaizana Baiboly no notadiavin’i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpianany: ‘Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano.’ Naniry mafy ny hizara ny fahalalana an’Andriamanitra tamin’ny olona maro araka izay azo atao i Jesosy. Taminy dia natao hozaraina ny fahalalana ny Soratra Masina fa tsy natao hafenina.”
Tafiditra tao amin’ny fandaharan’ny fivoriambe, ireo lahateny nanazava ny hevitry ny faminaniana ara-baiboly, ary koa ny fomba tokony hampiharan’ny Kristianina ny toro lalana araka ny Soratra Masina. Nisy fampisehoana tantara nitondra ny lohateny hoe Hajao ny Fahefan’i Jehovah, ny alahady. Ny fifanoheran’ny fikomian’i Kora tany an-efitra sy ny fahatokian’ireo zanany no nifantohan’io fampisehoana tantara ara-baiboly io.
Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra Boky II, sy Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany? no boky sy bokikely navoaka tamin’ilay fivoriambe. Teo koa ny taratasy mivalona Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?
Nisy fivoriambe manokana natao tany Frantsa sy Italia nandritra ny volana Aogositra. Tany Paris sy Lyon, ary Bordeaux no natao ny tany Frantsa, ka 160 045 ny tampon’isan’ny mpanatrika rehefa natambatra. Tena nampahery an’ireo rahalahy tany
Frantsa ireny fivoriambe ireny, satria lasibatry ny fitsarana an-tendron’ny fampahalalam-baovao izy ireo. Hoy ny rahalahy iray: “Mahatsiaro ho tena miady irery izahay indraindray, nefa nahazo hery handrosoana izao, rehefa avy nitsidika anay ireo rahalahinay kristianina an’arivo.”Tany Roma, Milan, sy Turin, ary Bari kosa no nanaovana ireo fivoriambe manokana tany Italia. Nisy tanàna dimy hafa nanaovana fivoriambe nampifandraisina an-telefaonina, ka nahazo tapatapany tamin’ilay fandaharana. Nisy 289 133 ny tontalin’isan’ny mpanatrika tamin’ireo fivoriambe sivy ireo. Nisy fanapahan-kevitra nampientam-po naroso holanin’ny mpanatrika tamin’ireny fivoriambe tany Frantsa sy Italia ireny. Nanakoako ny eny nanehoan’ireo solontena avy tany amin’ny tany maro ny valin-teniny, narahin’ny tehaka naharitra ela be.
Fitoriana naneran-tany tamin’ny alalan’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36
Efa ho 500 tapitrisa ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 voazara naneran-tany tamin’ny fiteny 189, nandritra ny Oktobra sy Novambra 2000. Nanintona olona maro io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io, satria nirakitra hafatra ara-baiboly momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy sy sary miloko maro. Inoana fa nizara azy io ianao, raha Vavolombelon’i Jehovah. Ireto misy tatitra momba iny ezaka manokana iny, avy tamin’ny faritra maro samihafa.
Tsy nahasakana an’ireo Vavolombelona any Alaska tsy hitory ny hatsiaka namirifiry. Hoy ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ao amin’ny Fiangonana North Pole: “Ririnina ny andro nefa nisy olona nijoro teo an-tokotaniny mihitsy mba hamaky ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Manintona tokoa ilay hafatra tsotra mampiseho ny tsy fitovian’ny zava-misy ankehitriny sy ny fitahiana miandry ny olombelona.”
Fiangonana 15 tao amin’ny tanàn-dehibe vitsivitsy tany Albania, no nasaina nitsidika tanàna kely lavitra. Nanaiky tamin-kafanam-po sy fifaliana lehibe ireo rahalahy sy anabavy, ka tanàna
kely 56 nisy mponina 50 000 teo ho eo no sambany vao mba voatsidika tamin’izay.Nitantara toy izao ny sampan’i Angola: “Tena nahomby ny ezaka manokana nizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 teto aminay. Nazoto sy nafana fo mantsy ny mpitory, na dia mbola ianjadian’ny fahasahiranana ara-bola sy ny ady aza ireo fiangonana eran’i Angola. May erỳ ny ankamaroan’ny olona nandray ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana rehefa nozaraina izy io. Nahazo tampon’isa vaovao àry i Angola tamin’ny Novambra, tamin’ny fampianarana Baiboly 94 026, izany hoe fitomboana efa ho 10 000 raha oharina amin’ny tamin’ny volana Oktobra.”
Nisy fonosana Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 latsaka, rehefa nankany amin’ny tanàna kely iray ny Vavolombelona vitsivitsy tany Cameroun. Lehilahy hankany an-tsaha, efa nahatsikaritra Vavolombelona nizara Vaovao Momba Ilay Fanjakana, no nahita azy io teo an-tsisin-dalana. Noraisiny ilay izy ary nanomboka nizara koa ny tenany! Tapitra nozarainy ny taratasy rehetra afa-tsy efatra. Rehefa nangatahin’ny olona ireo, dia tsy nomeny fa hoy izy: “Aiza kosa aho no dia hiasa maina; mba hotehiriziko ho an’ny fianakaviako ireto. Hahazo ny anjaranareo ianareo rehefa mandalo ny Vavolombelona.”
Niverina nitsidika ramatoa nandray Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 ny Vavolombelona tany Kolombia. Nilaza ho tsy mba nandray Vavolombelon’i Jehovah mihitsy io ramatoa io. Takany anefa, rehefa avy namaky ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana, fa tena very tombontsoa izy tamin’izany. Nandohalika izy avy eo mba hifona tamin’Andriamanitra. Nifandray tamin’ny Vavolombelona izy tatỳ aoriana, ary mianatra Baiboly amin’izao fotoana izao.
Nisy polisy nanao fanamiana tao amin’ny tanàna kely any Congo (Kinshasa), tena liana rehefa namaky ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Nahita Vavolombelona izy, fotoana kelikely taorian’izay, ary nilaza tamin’izy ireo fa nafonja sy nampionona ilay hafatra. Lasa vetivety izy avy eo, nefa niverina indray tsy nanao fanamiana intsony ary nivimbina Baiboly. “Mba
hiaraka aminareo aho hizara an’io hafatra lehibe sy maika io!”, hoy izy. Nohazavain’ny Vavolombelona tamin-katsaram-panahy taminy, fa nila nianatra Baiboly aloha izy. Nanaiky ilay rangahy ary mandroso tsara izao ny fianarany.Nahita Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 tao ambany varavarany i Joy, tovovavy any Gresy. Nantsoiny an-telefaonina avy hatrany ny nenitoany Vavolombelon’i Jehovah rehefa voavakiny ilay izy. Nolazainy taminy fa nanohina ny fony ilay hafatra, ka te hiresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nifandray tamin’ny anabavy mpisava lalana manokana tao amin’ilay faritra io nenitoany io, ka nandeha nitsidika an’ilay tovovavy ilay mpisava lalana. Gaga be ry zareo fa hay efa nifankahalala. Nolazain’i Joy tamin’ilay mpisava lalana fa nanana Baiboly izy, saingy tsy hitany ny andinin-teny nifandray tamin’ny zava-nanahirana azy. Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany izy.
Nomen’ny Vavolombelona tany Korea Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 ny ramatoa iray nanohitra an-janany lahy Vavolombelon’i Jehovah. Notsidihin’ilay Vavolombelona indray izy telo andro tatỳ aoriana, ary nohazavainy taminy izay lazain’ny Baiboly momba ny Paradisa. Nekeny ilay fanazavana ary natomboka ny fampianarana Baiboly. Nanganohano ny mason’ilay zanany lahy niteny hoe: “Tsy mampino ahy ny hoe nanomboka nianatra Baiboly i Neny.” Mandroso tsara io reniny io izao.
Nisy Vavolombelona tany Liberia, nitety tanàna mba hizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Nanaraka sakeli-dalana izy ireo ka tonga tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana nitokana tany anaty kirihitr’ala be. Hoy ny tovolahy anisan’ny tantsaha tao, rehefa nilaza ho very lalana ireo Vavolombelona: “Ny fanahin’Andriamanitra no naniraka anareo hankatỳ aminay mba tsy hahavery anjara anay.”
Dodona nandray ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 ny olona tany Holandy. Voazara vetivety foana ny roa tapitrisa mahery. Nanao pirinty 100 000 fanampiny ny sampan’i Selters, any Alemaina, nefa mbola nanafatra ihany ireo fiangonana. Nisy
olona nilazan’ny Vavolombelona, tao an-tanànan’i Helmond, fa nozaraina naneran-tany ilay taratasy mivalona. Hoy ilay rangahy: “Andraso kely ange e!” Niditra tao an-tranony izy ary niantso an-telefaonina ny namany tany Frantsa mba hanamarinana ny tenin’ilay mpitory. Hoy izy tamin’ilay namany: “Misy Vavolombelon’i Jehovah mizara taratasy mivalona eto am-baravarako, ka lazainy fa zaraina maneran-tany ilay izy. Efa nahazo ve ianao?” Hoy ilay namany namaly: “Ia, folo minitra izay.” Napetrak’ilay rangahy ny telefaonina dia niverina teo am-baravarana izy, ary nandray ny anjarany koa.Nisy izao taratasy mahaliana avy tamin’ny mpianatra ao amin’ny taona faha-7 izao voarain’ny sampan’i Rosia: “Manahoana! Faly be aho nahita trakta momba ny taonarivo vaovao tao anaty boaty fasiana ny taratasinay! Io trakta avy taminareo io no nahafaly anay indrindra tato anatin’ny taona. Mba andefaso fanazavana misimisy kokoa izahay e!”
Sady nanampy ny besinimaro ilay ezaka manokana nizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36, no nahasoa ny Vavolombelona koa. Hoy ny Vavolombelona iray any Saipan: “Tena tiako ny nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Vita batisa tamin’ny 1998 aho, ka io no voalohany nandraisako anjara tamin’io endri-panompoana io. Nampirisika ahy hanandrana ny
fitoriana takariva izy io, ka nahafahako niresaka tamin’ny olona maro kokoa. Nihanatanjaka ny finoako, ary mahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho, noho io asa io.”Nandeha tany amin’ny faritra lavitra any Malaita, any amin’ny Nosy Salomon, ny Vavolombelona mba hizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Tonga tao amin’ny tanàna kely iray izy ireo, rehefa avy nandeha an-tongotra adiny dimy mahery. Nandray tsara ary hita fa tena liana ilay pasitera tao. Nolazainy fa tsy mba nisy solontenan’ny fiangonany nitsidika na niraharaha an-dry zareo tao anatin’ny sivy taona mahery. Olona vitsivitsy tsy fantany akory no nisahirana namakivaky tendrombohitra, mba hanampy azy ireo hahalala ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Nanomboka nianatra Baiboly ny fianakaviana rehetra tao amin’ilay tanàna kely. Niverina isan-tapa-bolana ireo rahalahy, ary tsy ela dia nandroso haingana ny folo tamin’izy ireny. Nolazain’ilay pasitera fa azo nampiasaina hivoriana ilay fiangonana teo an-tanàna ho fanombohana, raha nisy afaka nijanona teo amin’izy ireo. Misy mpisava lalana manokana mitsidika tsy tapaka an’ilay antokon’olona izao. Araka ny vaovao farany, dia nisy solontenam-piangonana tonga nitsidika ary nilaza fa hanome sakafo ny mponina, raha toa izy ireo manaiky tsy hiara-mianatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony. Nilaza anefa ny rehetra fa hanohy ny fianarany Baiboly.
Nisy Vavolombelona nametraka Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 tamina Indianina pemón mpitari-dalana azy, rehefa nanao vakansy tany amin’ny faritra lavitra any Venezoela. Faly be io rangahy io, ka novakiny imbetsaka ilay taratasy mivalona. Nohamaininy tsara ilay izy rehefa sendra lenan’ny orana. Nangataka hafa mba hoentiny tany amin’ireo Indianina pemón namany izy.
Raharaha ara-pitsarana nandritra ny taom-panompoana
Nanaja ny feon’ny fieritreretany i Ivailo Stefanov any Boligaria, ka tsy nety nanao raharaha miaramila. Nohelohina higadra herintaona sy tapany àry izy. Nentin’ny Rahalahy Stefanov
tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ilay raharaha, satria tsy nohajaina ny fahalalahany ara-pivavahana. Nanao raharaham-pihavanana ireo manam-pahefana tany Boligaria rehefa nilaza io fitsarana io fa hihaino ilay raharaha. Nekeny ny hanafaka madiodio ny Rahalahy Stefanov sy ny Vavolombelona hafa niatrika raharaha nitovy tamin’ny azy. Neken’ny fitsarana ilay raharaham-pihavanana tamin’ny 3 May 2001. Neken’ireo manam-pahefana ireo koa ny hampihena ny faharetan’ny fanompoana sivily. Avo roa heny noho ny faharetan’ny raharaha miaramila tsy maintsy atao mantsy izy io teo aloha.Namoaka didim-pitondrana ny tanànan’i Blainville, any Kanada, nilaza fa tsy maintsy nividy fahazoan-dalana ny mpivavaka mitety trano. Tsy namela hitory afa-tsy ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma io fahazoan-dalana io, ary tsy nanan-kery afa-tsy roa volana, nefa herintaona atỳ aoriana vao azo havaozina. Namoaka didim-pitsarana ny mpitsara ambony tao Québec, tamin’ny 17 Aprily 2001, fa tsy mihatra amin’ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay didim-pitondrana. Nolazain’io mpitsara io fa tsy voatery haka fahazoan-dalana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy ferana ny ora, na andro na volana ary taona hanaovany ny fitoriany isam-baravarana. “Asa kristianina
mahasoa ny fiaraha-monina” no nilazany ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitany koa fa ny zavatra avoakan’izy ireo dia “boky sy gazety miresaka raharaha lehibe toy ny fivavahana, Baiboly, zava-mahadomelina, alkaolisma, fanabeazana ny tanora, olana ara-panambadiana sy fisarahana.” “Manevateva, manambany, manafintohina ary manala baraka” ny Vavolombelona ny fampitoviana azy amin’ny mpanao varo-mandeha, hoy ilay mpitsara.Nampiasa fikambanana roa ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie: Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Géorgie sy Solontenan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Namoaka didy nanafoana ny anaran’ireo fikambanana roa anefa ny Fitsarana Tampony tany Tbilissi, any Géorgie, ny 22 Febroary 2001. Nohazavain’ilay fitsarana tsara fa tsy nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah io didy io. Nolazainy kosa aza fa afaka nanohy ny asany ara-pivavahana ny Vavolombelona, anisan’izany ny fivoriana, fanafarana boky sy gazety ary fanofana sy fividianana trano sy tany. Ninia tsy niraharaha izany kosa ireo mpivavaka mahery fihetsika, ka nampihatra herisetra nitohitohy. “Fotoan’ny fampihorohoroana” no nilazan’ny fikambanana iray momba ny zon’olombelona izany. Nitory tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 29 Jona 2001. Nolazainy tamin’izany fa notoheriny ny tsy firaikan’ny fitondrana nanoloana ilay herisetra tsy voafehy. Nasain’ilay fitsarana natao loha laharana ny fandinihana an’io raharaha io ny 2 Jolay. Anisan’ny vokatra tsara azo ny famoahan’ny Sampan-draharahan’ny Fadin-tseranana tao Géorgie ny 30 May 2001, ireo boky sy gazety ara-baiboly sahabo ho 20 taonina notazonina tsy ara-dalàna ny 14 Martsa 2001. Nozaraina avy hatrany tany amin’ireo fiangonana eran’i Géorgie izy ireo.
Tsy neken’ny Fitsarana Federaly Momba ny Raharaham-panjakana any Berlin, any Alemaina, ny hanomezana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo tombontsoa omen’ny fanjakana an’ireo fivavahana hafa, tamin’ny 1997. Ny anton’izany, hoy izy
ireo, dia hoe tsy manohana ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy mba mandeha mifidy. Nampakatra fitsarana ambony àry ny Vavolombelona. Namoaka didy ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana any Alemaina tamin’ny 19 Desambra 2000, fa tsy takina ny fanohanana toy izany. Naverina tany amin’ilay fitsarana voalohany indray anefa ilay raharaha, mba handinihana hoe manaja sa tsia ny zon’ny tsirairay ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary vaindohan-draharaha izao ny zavatra inoana, ny ra, ny fitaizan-janaka, ny fandroahana, sy ny fifandraisan’ny mpianakavy.Vavolombelona 3 500 mahery any Gresy, vao haingana izay, no nolazaina fa jiolahy, satria nigadra noho ny tsy fetezany hanao raharaha miaramila. Vokatr’izany dia tsy afaka ny ho mpiasam-panjakana izy ireny, na ho mpiasan’ny fikambanana mpanasoa vahoaka, na banky. Tsy nomen-dalana hanao asa sasany koa izy ireo. Misy lalàna navoaka anefa izao any Gresy, milaza fa tsy raisina ho toy ny jiolahy taloha intsony ireny Vavolombelona ireny. Ity tarehin-javatra ity no inoana fa nahatonga ny famoahana an’io lalàna vaovao io. Nisy didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona nanome rariny ny Vavolombelona tamin’ilay raharaha Thlimmenos miady amin’i Gresy. Nahakasika ny zon’ny tsirairay handa tsy hanao raharaha miaramila io didy io.
Nisy didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Kobe, any Japon, ny 30 Martsa 2001, nanome rariny ny Vavolombelona. Nahakasika anabavy nalaina an-keriny ilay raharaha. Notanana an-keriny nandritra ny 17 andro izy io, mba “hanasana ny atidohany” ka hialany amin’ny finoany. Nilaza ny fitsarana fa niray tsikombakomba tamin’ilay voampanga, izay pasitera batista, ny vadin’ilay anabavy teo aloha sy ny mpianakavin’izy io, mba hitanana an-keriny an’ilay anabavy. Nasaina nandoa onitra mitovy amin’ny 21 000 000 FMG eo ho eo ilay voampanga.
Nisy didy roa nanizingizinan’ny Fitsarana Tampony any Romania, fa ekena ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tokony hanana ny zo rehetra omen’
ny lalàna an’ireo fivavahana. Nandraman’ny Sekretariam-panjakana Momba ny Fivavahana nofoanana ireo didy ireo fa tsy nahomby izy. Nohamafisin’ilay Fitsarana Tampony ireo didy navoakany ireo ny 2 Aprily 2001. Mbola tsy manaiky ny toerana ara-dalàna tanan’ny Vavolombelona io Sekretariam-panjakana io hatramin’izao, na dia eo aza ny toromariky ny Fitsarana Tampony.Ela ny ela ka tsy nanaiky ny fampiakarana fitsarana ny raharaha momba ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou, any Rosia, ny mpitsara iray, tamin’ny 23 Febroary 2001. Efa ho enin-taona mantsy no nanarahany an’ilay raharaha, ka ny telo taona tamin’izany lany tany amin’ny fitsarana. Fanamaivanana nihelina anefa ny an’ireo rahalahy, satria nofoanan’ny Fitsaran’ny Tanànan’i Moscou io fanapahan-kevitry ny fitsarana ambaratonga voalohany io, tamin’ny 30 May 2001. Nasainy naverina tanteraka ilay fitsarana. Inenina izao, nanomboka tamin’ny 1996, no nahavoatery ny Vavolombelon’i Jehovah hiaro tena tamin’ny fiampangana tsy marim-pototra toy izany.
Namoaka didy lehibe ny Fitsarana Ambony any Pennsylvanie, any Etazonia, ny 21 Febroary 2001. Notohanan’io didy io mazava fa manana zo hanapa-kevitra samirery ny marary, ary manan-kery ny taratasy fanomezam-pahefana ho an’izay hikarakara ny fahasalamany. Nahakasika an’i Maria Duran ilay didim-pitsarana. Nampahafantatra hatramin’ny farany ny fandavany tamin’ny fomba hentitra ny fampidiran-dra i Maria. Efa nandray fepetra i Maria, nefa nahazo didim-pitsarana ho mpikarakara azy ihany ilay vadiny tsy Vavolombelona raha sendra tandindomin-doza ny ainy. Nanampy azy tamin’izany ny dokotera sy ny hopitaly. Efa nampahafantarin’i Maria mazava tsara anefa fa mpiray finoana taminy no notendreny hikarakara azy. Nofoanan’ny fitsarana ambony àry ilay didy. Nizingizininy fa tokony ho nohajaina ny toromarika mazava nomen’ilay marary momba ny fikarakarana ny fahasalamany sy ny fanendreny olona hikarakara azy. Izany no tokony ho izy na dia nanohitra aza ny vadiny sy ny havany ary ny dokotera.
Ilaina ny Efitrano Fanjakana maro kokoa
Tena sarotra sy nitaky fotoana lava taloha ny fanorenana Efitrano Fanjakana, tany amin’ny tany maro. Nanofa trano nivoriana amam-bolana na aman-taona mihitsy aza ny fiangonana sasany, nandritra ny fotoana nanorenana azy ireny. Nisy bolokidia nanao akany tao amin’ny valindrihan’ny Efitrano Fanjakana mbola tsy vita, tany amin’ny tany afrikanina iray. Tsy ela dia narahin’io boloky io tamin’ny sioka ny hiran’ilay Fanjakana, nefa toa tsy nisy niraharaha. Naharitra ela be ilay asa ka hainy hatramin’ny namerina ny tenin’ilay mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ary nantsoiny tamin’ny anarany mihitsy aza ireo rahalahy sy anabavy! Vita ihany anefa ilay Efitrano Fanjakana ka voatery niova lasy ilay boloky.
Vita haingana be ny Efitrano Fanjakana amin’izao fotoana izao, satria misy fandaharam-panorenana vaovao mampientam-po. Misy tokoa izao ireo Efitrano Fanjakana voaorina ary tokanana ao anatin’ny roatokom-bolana na iray volana monja, any amin’ny ankamaroan’ny tany an-dalam-pandrosoana! Tatsy Afrika fotsiny, dia 1 074 ny Efitrano Fanjakana vaovao voaorina nandritra ny taom-panompoana lasa, izany hoe efa ho 4 isaky ny andro fiasana!
Misy lafiny roa, raha ny marina, ny zava-kendren’ilay fandaharana vaovao fanorenana Efitrano Fanjakana. Voalohany, mba hananana Efitrano Fanjakana, izay tena ilaina ankehitriny. Nanoratra toy izao ny sampana atsy Afrika Atsimo: “Mampihetsi-po io fandaharana io, ary inoanay fa ho maro ny Efitrano Fanjakana ho voaorina any amin’ireo tany tena mila izany.” Faharoa, mba ho fitsinjovana ny hoavy ka Vavolombelona mahay eo an-toerana ihany no hampiasaina amin’ilay asa fanorenana. Atsy Bénin, ohatra, dia ny any an-toerana ihany no mitantana manontolo ilay fandaharam-panorenana, ary afaka mikarakara izay Efitrano Fanjakana hilaina amin’ny hoavy.
Biraom-paritra dimy mikarakara Efitrano Fanjakana, miaraka amin’ny Biraon’ny Mari-trano sy Fanorenana any Brooklyn, no manampy an’ireo sampana any Eoropa Atsinanana, Afrika,
Azia, Oseania, sy Amerika Afovoany sy Atsimo ary ireo nosy any Caraïbes eo amin’ny fandaminan-javatra. Miara-miasa akaiky amin’ny Komitin’ny Sampana ireny birao ireny, ka manampy azy handray soa feno amin’ny tari-dalana sy fitaovana eo am-pelatanana ankehitriny. Asiana Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana, ohatra, any amin’ny sampana tsirairay mba handrindra ny asa fanorenana eny amin’ny saha. Manampy ny fiangonana hifidy ny tany hanorenana koa io birao io, ary manamboatra planina modely miorina amin’ny fitaovana sy fomba fanorenana eo an-toerana.Tany 92 no tena tsy nanam-bola ary tsy nanana mpiasa mahay taloha ka voasakantsakana ny fiezahan’izy ireny hanorina. Manana mpiasa an-tsitrapo maharitra sy tsy maharitra mahatratra 4 000 izy ireny ankehitriny, izay mahaforona Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana manontolo andro 352. Tena nahatonga an’io ekipa io hahomby ny nampiasany an’ireo mpanompo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Anisan’ny sokajy vaovao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana izy ireny, ary natao ho an’ny rahalahy mahay any amin’ny tany sasantsasany. Eo koa ireo mpanompo iraisam-pirenena 152 mampiofana rahalahy eo an-toerana mba handray anjara lehibe amin’ilay fandaharam-panorenana. Mazava ho azy fa tetik’asan’ny fiangonana ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ka vonona ny mpikambana ao aminy hahaforona ny ampahany lehibe amin’ireo mpiasa an-tsitrapo.
Inona no nolazain’ny olona momba io fandaharam-panorenana vaovao io? Naorina vao haingana tao Sara Linda ny Efitrano Fanjakana voalohany tany Trujillo, any Venezoela. Latsa-dranomasom-pifaliana ny mpitory iray nilaza hoe: “Tena mampihetsi-po ny mahatsapa fa nahatsiaro anay i Jehovah, na dia tsy hita eo amin’ny sarintany akory aza ny tanànanay!”
Voatosika hanoratra toy izao ny anabavy iray any Rio de Janeiro, any Brezila: “Folo taona no nandehanako an-tongotra efatra kilaometatra nankany am-pivoriana, niampita tetezana kely, na dia nandritra ny naha bevohoka ahy aza. Ela ny ela ka tanteraka
ny nofinofiko, satria manana Efitrano Fanjakana izahay! Maro ny mpianatra Baiboly efa nanomboka nanatrika fivoriana. I Dada izay nianatra taloha nefa nanohitra tatỳ aoriana, dia tsy tapaka amin’ny fivoriana intsony hatramin’ny fitokanana. Nanomboka nianatra indray izy tamin’ity herinandro ity.” Niaiky toy izao ny mpitazana iray tsy Vavolombelona: “Enim-polo taona aho nefa mbola tsy hitako izay tahaka ity! Mailaka sy faly miara-miasa erỳ ny Vavolombelona. Mpandatsa-biriky ao amin’ny kaominina aho, ary isaky ny ela loatra ny asa, dia misy miteny hoe: ‘Marina raha tsy ho voatery hiantso ny Vavolombelon’i Jehovah isika hanampy antsika!’”Hoy ny anti-panahy iray any Ukraine: “Vitanay tao anatin’ny iray volana monja ny fanorenana Efitrano Fanjakana araka ny modely nomena, ka tsy nandao ela ny fianakavianay sy ny andraikitray teo anivon’ny fiangonana izahay.” Hoy koa ny anabavy iray: “Faly be izahay. Hitan’ny masonay mihitsy izao fa manampy ny vahoakany i Jehovah. Tsy mba nanantena ny hahazo Efitrano Fanjakana mihitsy izahay taloha, satria tsy nanam-bola.”
Tena dodona ny hiaraka amintsika ireo olona liana any Malawi, rehefa tsara ny toeram-pivoriana. Nitatitra toy izao ny Fiangonana Nafisi: “Fitoriana velona ilay Efitrano Fanjakana tsara tarehy anananay ankehitriny. Mora àry ny manomboka fampianarana Baiboly rehefa mitory. Gaga ny olona hatraiza hatraiza. Lasa ambentin-dresaka ilay Efitrano Fanjakananay, na any an-tsekoly izany, na any am-piasana, na any an-trano.”
Nampiaiky volana an’ireo filoham-pokontany any Mozambika koa ilay fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana. Nisy raiamandreny be nangatahana tany hanorenana Efitrano Fanjakana. Sady nanaiky izy no namaly hoe: “Reko fa misy Efitrano Fanjakana aorina any amin’ny faritra hafa ka mba taitra koa aho, satria tsy mba misy izany eto amin’ny faritra iadidiako. Isaorana ianareo Vavolombelon’i Jehovah mikasa ny hanorina ny Efitrano Fanjakanantsika!”
Inona no akon’ireo tetik’asa voalamina tsara teo amin’ireo mpiasa an-tsitrapo teo anivon’ny fiangonana? Nisy rahalahy
anisan’ny ekipa mpanao fanorenana atsy Zimbabwe nitantara toy izao: “Tonga tany amin’ilay toerana ambanivohitra hanorenana Efitrano Fanjakana izahay, rehefa avy nandeha ora maro tamin’ny orana. Nitangorona teo ambany hazo ireo rahalahy sy anabavy niandry anay, ary nisy afo kely nanafana ny tongony. Tsiky no niarahabany anay tonga soa na dia ratsy aza ny andro. Nisy olona 60 anisan’ilay fiangonana nihady lavaka hatao fototra, ho fanomanana ny fahatongavanay. Tamin’ny efatra maraina ny omalin’io no natombony ilay asa, ary vitany ny androtr’io tamin’ny enina hariva.”Tsy nanana Efitrano Fanjakana ny Fiangonana Zongoro, atsy Zimbabwe ihany. Anisan’io fiangonana io hatramin’ny batisany tamin’ny 1924, i Nathan Muchinguri. Nandika boky sy gazety tamin’ny fiteny shona nandritra ny taona maro izy. Nilaza taminy ny biraon’ny sampana fa hanome vola fanampiana azy satria nipetraka tany ivelan’ny Betela izy, nefa nolaviny izany. Nolazainy kosa ny faniriany hivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, alohan’ny hahavitany ny fiainany eto an-tany. Tanteraka tamin’ny 8 Aprily 2001 ny fanirian’ny Rahalahy Muchinguri, 93 taona, rehefa nivory voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo vaovao ny Fiangonana Zongoro. Fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’io.
Hatramin’ny nanombohan’io fandaharam-panorenana io tamin’ny Novambra 1999, dia 2 097 ny Efitrano Fanjakana vaovao voaorina any amin’ny tany 92, izany hoe 22 isan-kerinandro amin’ny antsalany! Ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany no mampisy an’io “fitoviana” io, hany ka “ny [fiangonana] nanangona be tsy nanana amby, ary ny [fiangonana] nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.” (2 Kor. 8:14, 15) Mitahy io ezaka mafy atao maneran-tany io ve i Jehovah? Eritrereto hoe matetika no lasa avo roa heny ny isan’ny mpanatrika fivoriana, ao anatin’ny iray volana nahavitana Efitrano Fanjakana tsara any amin’ny ankamaroan’ireny toerana ireny.
Vidéos telo momba ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra
Nisy vidéos telo nifampitohy novokarin’ny Sampan’asa Momba ny Cassette sy ny Vidéo, niaraka tamin’ireo rahalahy avy any Alemaina sy tany hafa. Aseho ao fa azo ekena sady mandaitra ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra. Ahariharin’ireo mpandidy mahay ao anatin’ireo vidéos telo ireo, fa mandaitra ny fomba fitsaboana solon’ny fampidiran-dra, tsy mba tahaka ireo fomba fitsaboana ampiasana ra. Fomba Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra—Tsotra, Azo Antoka, Mandaitra (anglisy) no lohatenin’ilay vidéo voalohany. Natao ho an’ny dokotera sy ny mpianatra ho dokotera indrindra izy io. Ordinatera no ampiasaina mba hanazavana ny asan’ireo taharon’ny ra.
Vita ara-potoana io vidéo voalohany io ka tafiditra tamin’ny Fetin’ny Sarimihetsika sy Vidéo Iraisam-pirenena, laharana faha-34, fanao isan-taona any Etazonia. Nisy 1 500 tamin’izay, raha natambatra, ny sarimihetsika sy vidéos, avy any amin’ny
tany 33. Nodinihina tao amin’ny sokajy telo ny hatsaran’io vidéo Solon’ny Fampidiran-dra io. Faharoa izy tamin’ireo sokajy roa voalohany hoe Fikarohana sy hoe Lafiny Asa sy Fampianarana, ka nahazo ny Mari-pankasitrahana Efijery Volafotsy. Tao amin’ilay sokajy fahatelo hoe Raharaha Iadian-kevitra Ankehitriny kosa, dia voalohany izy ka nahazo ny Mari-pankasitrahana Fakan-tsary Volamena. Matoa ilay vidéo nahazo ireo mari-pankasitrahana ireo, dia neken’ireo manam-pahaizana ao amin’ny indostria mpanao sarimihetsika fa tsara sy marina ary asan’ny matihanina izy io, ka azo inoana ny fanazavana raketiny.Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra—Mifanaraka Amin’ny Ilain’ny Marary sy ny Zony (anglisy) no lohatenin’ilay vidéo faharoa. Natao indrindra ho an’ny mpanao gazety ara-pitsaboana, sy ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fahasalamana, sy ny mpanasoa vahoaka ary ny mpitsara izy io. Araka ny lohateniny, dia resahin’io vidéo io ny fomba itsaboana marary araka izay ilainy, nefa ekena koa ny zony ara-dalàna. Aseho ao koa fa tsy andaniam-bola be ny fandidiana tsy ampiasana ra.
Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra—Vitan’ny Mpitsabo (anglisy) no lohatenin’ilay vidéo fahatelo. Efa nalefa tamin’ny televiziona maro tany Etazonia io vidéo io, satria natao indrindra ho an’ny besinimaro. Nanao fanamarihana tsara ireo matihanina tsy Vavolombelona nadinadinina tao amin’ilay vidéo. Inoana fa tena hanampy ny olona hiaiky ny hatsaran’ny fandidiana tsy ampiasana ra izany fanamarihana izany, ary hampihena ny fitsarana an-tendron’ireo tsy mahafantatra.
Mitondra fiderana ho an’Andriamanitra ireo trano vaovaon’ny sampana
Toy izao ny tatitra momba ny fitokanana sampana dimy nandritra ny taom-panompoana lasa. Handeha an’eritreritra any Amerika Atsimo aloha isika, dia any Venezoela sy Orogoay izay nisy trano vaovaon’ny sampana notokanana. Hankany Ukraine, any Eoropa Atsinanana isika avy eo. Norarana nandritra ny 50 taona mahery ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Aorian’izay isika dia hitodika atsy Malawi, any Afrika atsinanana. Niaritra fandrarana sy fanenjehana an-taona ny Vavolombelona tany. I Barbade, nosy kanto any Caraïbes no hitodihantsika farany.
VENEZOELA: Nisy mpitsidika 1 600 teo ho eo, avy any amin’ny tany 22, nirohotra nankao amin’ny toerana iray nisy zaridaina tsara tarehy, tamin’ny 3 Martsa 2001. Any amin’ny 80 kilaometatra andrefan’i Caracas renivohitra no misy azy io, ary hitokana ny fitambaran-trano vaovaon’ny sampana no nahatongavan’izy ireo. Vanin-taona maina ny volana Martsa, ka nivolontsôkôlà sady ngazana ny Tendrombohitra Aragua. Nirobona sy maitso kosa ny bozaka sy palmie nanodidina ireo tranon’ny sampana, satria tao ny lava-drano nanondrahana azy ireny. Talanjona sy finaritra ireo solontena nihaingo, nandeha nanodidina ny tokotany sy nitety ireo trano. Nitondra fakan-tsary ny maro taminy.
Ny Septambra 1946 no nisokatra ny biraon’ny sampana voalohany tany Venezoela, ary 19 monja ny mpitory ny vaovao tsara
tany tamin’izany. Maromaro ireo tranon’ny sampana tsy omby intsony noho ny fitarana, nandritra ireo 50 taona nanaraka. Mpitory ny vaovao tsara 88 541 izao no karakarain’ilay sampana vaovao any Venezoela.Nandray anjara tamin’ilay tetik’asa naharitra enin-taona nanorenana ireo trano ny ankamaroan’ireo nanatrika ilay fitokanana. Hoy ny mpanompo iraisam-pirenena iray: “Tena nampahery ny nahita fa vonona hanao dia nandritra ny ora maro ireo rahalahy mba handraisana anjara tamin’ilay tetik’asa fanorenana. Nisy maromaro anisan’ny fiangonana iray, ohatra, nanofa bisy ary niainga tamin’ny 11 alina. Nanao lava alina ry zareo ary tonga tamin’ny enina maraina. Niara-niasa taminay izy ireo nandritra ny andro manontolo rehefa avy nisakafo, ary nody avy eo, nandeha adiny fito tamin’ilay bisy teo ihany.” Nahafinaritra ny fiarahana nandritra ilay fanorenana, satria niara-niasa tamim-piraisan-tsaina ireo rahalahy.—Sal. 133:1.
I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana hoe “Mitondra Fiderana ho An’i Jehovah ny Fitaran’ny Asa.” Nahatratra 113 260 ny tampon’isan’ny Vavolombelona sy olona liana avy tamin’ny lafy valon’i Venezoela, nirohotra tao amin’ny tanànan’i Valencia ny ampitson’io. Tonga hihaino fandaharana nampihetsi-po, anisan’izany ny famintinana ny fandaharam-pitokanana, izy ireo. *
OROGOAY: “Tena hafa kely izany raha vahoaka! Tena mahafinaritra ny mahita olona maro be, lehilahy sy vehivavy, miasa mafy amim-pifaliana. Izao no tanteraka dia satria tsara ny antony manosika anareo ary tsy mitady tombony ara-nofo ianareo. Arahabaina ianareo ary tohizo ny asa tsaranareo!” Santionan’ireo fanamarihana nataon’ny mpandinika maro tonga nitsidika ny tetik’asa fanorenana ny sampana tany Orogoay io.
Ny zotom-po sy fiaraha-miasa nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ilay tetik’asa fanorenana, dia hita koa hatramin’
ny taona maro eo amin’ny asa fampianarana ataon’izy ireo. Vavolombelona vitsivitsy no tany Orogoay, 60 taona lasa izay, anisan’izany ireo mpisava lalana alemà enina nandeha bisikileta nitety ilay tany. Fandaminana matanjaka sy be mpahalala ary hajaina kosa ny Vavolombelon’i Jehovah any ankehitriny. Mpitory 1 isaky ny mponina 287 ny an-dry zareo ary manana anti-panahy dimy ny fiangonana tsirairay, amin’ny antsalany. Mazava ho azy, fa ilaina ny tranon’ny sampana lehibe kokoa rehefa mitatra ny asa.Nisaorana ireo Vavolombelona maro nampiasa ny fahaizany sy ny traikefany tamin’io tetik’asa io, nandritra ilay fandaharam-pitokanana tamin’ny 31 Martsa 2001. Nadinadinina tamin’io fotoana io koa ireo misionera maro efa nanompo tany Orogoay. Tonga avy lavitra izy ireo mba hanatrika ilay fitokanana. Ny Rahalahy Lösch no nanao ny lahateny nanamafy fa ny fanomezam-boninahitra sy fiderana an’i Jehovah no antony lehibe itoriantsika. *
UKRAINE: Efa 110 taona mahery no nisian’ny mpitory ny vaovao tsara tany Ukraine, fa tato anatin’ny folo taona farany no tena haingana ny fitomboana. Nanjary nilaina maika ny tranon’ny sampana satria 530 isan-jato ny fitomboan’isan’ny mpitory nandritra ireo taona 1990. Nisy toerana kanto tany ambanivohitra àry nofidina mba hanorenana ny sampana. Tany amin’ny dimy kilaometatra teo ho eo tany avaratr’i Lviv no nisy azy io. Nisy trano fonenana 104 ilay fitambaran-trano, birao ary fomba, lakozia, efitra fanasan-damba, garazy ary toerana fanatobiana boky sy gazety.
Tobin’ny tanora no teo taloha, nefa namboarin’ireo rahalahy ka lasa fitambaran-trano mahafinaritra ho an’ny sampana, roa taona sy telo volana taorian’ny nahazoan-dalana hanorina. Ao anaty ala iray nanaovan’ireo rahalahy fivoriana nandritra ny fandrarana no misy azy io.
Nasain’ny manam-pahefana natao rarivato ny lalana nankao amin’ny sampana. Nanakarama orinasa mpanao fanorenana ireo rahalahy mba hanao ilay izy, ary nilazana izy ireo fa tokony hovitaina ny faran’ny Oktobra 2000 ilay lalana nirefy 1 200 metatra. Ny antony dia satria manomboka mirotsaka ny ranomandry mazàna ny Novambra. Tsy vitan’ilay orinasa tamin’ny daty nifanekena ilay asa. Mbola nety hanaovana lalana ihany anefa ny toetr’andro, ka tapa-kevitra ireo rahalahy fa hanampy tamin’ny famitana azy io. Niasa mafy ny rehetra, ka vita ny asabotsy 16 Desambra 2000 ihany ilay lalana. Rakotry ny ranomandry ny toerana nanodidina tamin’io alina io. Raha manontany ny mponina ao amin’ilay faritra ianao hoe nahoana no nafana sy naharitra tsy toy ny nahazatra ny faramparan’ny taona 2000, dia izao no havaliny: “Tsy maintsy namita ilay lalana tsinona ny Vavolombelon’i Jehovah ka!”
Natao ny 19 May 2001 ny fandaharam-pitokanana. Nisy rahalahy sy anabavy avy any amin’ny tany 35 tonga tamin’io fandaharana io, izay nanasongadina ny lahatenin’i Theodore Jaracz sy Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Vahoaka niisa 72 023 no nivory ny ampitson’io mba hanaraka fandaharana manokana tao amin’ireo kianja lehibe indrindra tany Lviv sy Kiev. Maro tamin’ireo nanompo am-polo taona tao anatin’ny fandrarana no tonga tamin’izany. Nientam-po izy ireo nahita io sampana tsara tarehy io izay hanome voninahitra sy fiderana lehibe ho an’i Jehovah. *
MALAWI: Vavolombelona 2 200 mahery avy ao Malawi, no niara-nivory tamin’ny mpitsidika 200 avy any amin’ny tany 21, tamin’ny faran’ny tolakandron’ny asabotsy 19 May 2001. Nisy toy ny elo be vita tamin’ny tsato-kazo kininina sy volotsangana ary bozaka maina nialokalofan’izy ireo. Tsy hita intsony ny soratra tao amin’ny fihirana nandritra ny hira famaranana, satria nihamaizina ny andro. Nisy mpitarika, avy teny amin’ny lampihazo
tsara tarehy, nanasa ny mpanatrika hanao ny Hira 56 araka ny fomba afrikanina, dia feo efatra mirindra tsara tsy arahina mozika. Tsy nilaina ny fihirana satria hain’ny mpanatrika tsianjery ny tonony. Nihetsi-po ireo vahiny nasaina, nihaino an’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky ireo. Vita batisa efa hatramin’ny 40 taona na mahery mantsy ny ankamaroany, ary efa nijaly mafy noho ny finoany.Voatosika hanao hiran’ilay Fanjakana sady nikopakopaka an’izay rehetra hitany ireo rahalahy sy anabavy, rehefa nitsidika an’ilay fitambaran-tranon’ny sampana iny maraina iny. Talohan’io fotoana io, dia nanaiky handefa ny Mélodies du Royaume Volume 1 tamin’ny fitaovana fanamafisam-peon’ny seranam-piaramanidina, ny tompon’andraikitra tao mba handraisana ireo vahiny iraisam-pirenena. Izany ka fandraisana kristianina nafana! Mbola alefa any amin’ilay seranam-piaramanidina ihany io mozika io.
“Hita ho Velom-pankasitrahana ve Ianao eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah?” Io no fanontaniana napetrak’i Sébastien Johnson, mpiandraikitra mpitety sampana, nitsidika an’i Malawi tamin’izay. Rehefa nanazava tsara ny Mika 6:6-8 ny Rahalahy Johnson, dia nasehony fa tsy mitaky be loatra amintsika i Jehovah. Nampirisika hamaky ny Baiboly isan’andro sy hampihatra ny toro lalana mahasoa raketin’izy io ilay mpandahateny. Nafantok’i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny foto-kevitra hoe “Mifalia sy Miravoravoa Amin’ny Zavatra Foronin’i Jehovah” ny lahatenim-pitokanana nataony. Hoy ny Rahalahy Pierce: “Ny asa sy ny fanompoana tamim-pahatokiana nataonareo no nahatonga izao fitomboana ankehitriny izao. Ataovy hatrany izay rehetra azonareo atao eo amin’ny fanompoana masina ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra.”
Nampahatsiahivina an’ireo mpanatrika 17 378 tao amin’ny kianjan’i Lilongwe ny alahady 20 May, fa 30 000 teo ho eo ny isan’ny mpitory tany Malawi rehefa nofoanana ny fandrarana *
tamin’ny 1993. Efa ho 50 000 kosa ny Vavolombelona any Malawi izao! Eny, fotoana tsy hay hadinoina tokoa ny fitokanana an’ilay Betela vaovao, satria andro fandresena ho an’i Jehovah!BARBADE: Toerana anirian’ny ahi-maitso sy voninkazo no misy ny sampana vaovaon’i Barbade sy ny Efitrano Fanjakana mifanakaiky aminy. Toerana avo iray hektara izy io ary mahatazana tsara ny Ranomasina Caraïbes eo akaiky. Ao amin’ny
faritra milamina ao Prospect, Saint-James, sahabo ho efatra kilaometatra avy ao Bridgetown, renivohitr’i Barbade, no nanorenana an’ireo trano tsara tarehy ireo tao anatin’ny herintaona sy tapany.Folo ny mpianakavin’ny Betela mipetraka ao amin’ireo trano vaovaon’ny sampana. Misy efitrano fonenana valo izy io sy birao ary efitra fisakafoana. Eo koa ny Efitrano Fanjakana mahazaka olona 275. Ireo trano ireo, izay folo minitra eo ho eo avy eo afovoan’i Bridgetown, no misolo ny tranon’ny sampana teo aloha. Tamin’ny 1969 no nanomboka nampiasaina ireo trano teo aloha ireo, izay tao amin’ny faritanàna somary nilamina tsy lavitra ny renivohitr’i Barbade. Sahabo ho 1 200 tamin’izany ny tontalin’isan’ny mpitory tao amin’ireo nosy lehibe enina sy nosy kely maromaro. Nitombo kosa io isa io ka nahatratra 2 390 teo anivon’ny fiangonana 25, ary antoko-mpitory mitokana iray, tamin’ny taona 2000. Nanjary tsy omby hikarakarana an’ireo fiangonana nihamaro hatrany àry io tranon’ny sampana io, sady lasa be fivarotana sy tabataba ilay faritanàna nilamina nisy azy teo aloha.
Ny asabotsy 2 Jona 2001 no natao ny fandaharam-pitokanana nampidirana ny tantaran’ny asa tao Barbade. Olona 676 avy tamin’ireo nosy sahanin’ny sampan’i Barbade sy avy any amin’ny tany 15 hafa, no nasaina hankafy izany. Ny lahatenin’i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe “Ampifalio ny Fon’i Jehovah”, no nisongadina tamin’izany. Nifindra tamin’ny hafa koa ny hafanam-pon’io rahalahy io teo am-panaovana ny lahateniny. Nasiana fivoriana manokana ny ampitson’io ho an’ireo tsy afaka nanatrika an’ilay fandaharam-pitokanana, satria tsy omby ny trano. Olona 3 332 no nanatrika. *
Mpanompo voatokana miisa 20 133 no miasa amin’ireo tranon’ny sampana toy itony maneran-tany. Ao amin’ny Laharan’ireo Mpanompo Manontolo Andro Manokana izy rehetra.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 60 Hita ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1996, pejy 187-252, ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra any Venezoela.
^ feh. 63 Hita ao amin’ny Diary 1999, pejy 225-255, ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra any Orogoay.
^ feh. 67 Hita eo amin’ny pejy 119-255 amin’ity Diary ity ny tantaran’ny asa fitoriana any Ukraine.
^ feh. 71 Hitanao ao amin’ny Diary 1999, pejy 149-222, ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra any Malawi.
^ feh. 74 Hita ao amin’ny Diary 1989 (frantsay), pejy 149-197, ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra any Barbade.
[Sary, pejy 6]
Anisan’ny navoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra” ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” tamin’ny fiteny sinoa mahazatra notsorina, tany Hong Kong
[Sary, pejy 11]
Efa ho 500 000 000 ny “Vaovao Momba Ilay Fanjakana” No. 36 nozaraina maneran-tany
[Sary, pejy 13]
Ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, Strasbourg, Frantsa
[Sary, pejy 21]
Ny Rahalahy sy Anabavy Muchinguri eo anoloan’ilay Efitrano Fanjakana vaovao
[Sary, pejy 22]
Ireo mari-pankasitrahana telo azon’ilay vidéo hoe “Fomba Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra—Tsotra, Azo Antoka, Mandaitra”
[Sary, pejy 28, 29]
Tranon’ny sampana vao avy notokanana
1) Malawi
2) Barbade
3) Orogoay
4) Venezoela
5) Ukraine