Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Nikaragoà

Tena mahavariana ireo toerana sy olona isan-karazany any amin’io tany io. Mampalahelo anefa fa niharan’ny loza araka ny natiora sy vokatry ny nataon’ny olona i Nikaragoà. Tsy nisakana olona an’arivo tsy hanaiky ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa izany. Vakio ato ny amin’ireo vokatra ara-panahy azo noho ny fitahian’i Jehovah, any amin’io tany voaravaky ny farihy sy renirano ary tendrombohitra io.

Philippines

Alao sary an-tsaina ny fahasarotan’ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’ireo nosin’i Philippines maherin’ny 7 000, izay misy ala mikitroka sy tendrombohitra! Manampy trotraka izany koa ny loza mateti-pitranga toy ny rivo-doza, ny tondra-drano sy ny horohoron-tany ary ny fipoahan’ny volkano. Hovakinao ato fa mitombo sy miroborobo ny fivavahana madio any Philippines, na eo aza ireo vato misakana ireo.