Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nikaragoà

Nikaragoà

Nikaragoà

Tsy diso tokoa ny filazana fa tany mafana toy ny paradisa kely i Nikaragoà. Ny ranomasina manga manganohanon’i Karaiba no manamorona ny morontsirany atsinanana. Ny Oseana Pasifika kosa no manonja eo amin’ny morontsirany andrefana. Mahafinaritra erỳ ny mitazana ilay tany feno ala sy saha ary renirano, mbamin’ireo farihy mamirapiratra ao anaty volkano efa tsy mipoaka intsony. Toy ny dobo kely dia kely anefa ireny farihy ireny, raha mitaha amin’ireo farihy roa lehibe an’i Nikaragoà sy Managoà. Mahatratra 8 200 kilaometatra toradroa ny velaran’ny Farihin’i Nikaragoà, izany hoe enina isan-jaton’ny velaran’ilay tany manontolo!

I Managoà no renivohitr’i Nikaragoà, ary eo atsimon’ny Farihin’i Managoà no misy azy. Tokony ho 1 000 kilaometatra toradroa eo ho eo ny velaran’ilay farihy. Mety tsara ny anaran’ilay renivohitra hoe “Managoà”, satria ny dikan’izany amin’ny fiteny iray eto dia hoe “toerana be rano.” Ao Managoà koa no misy ny foiben’ny governemanta sy ny fandraharahana. Iray tapitrisa eo ho eo ny mponina ao aminy, izany hoe latsaka ny ampahefatr’ireo mponina dimy tapitrisa eran’i Nikaragoà. Faritra kely ao amin’ny tany lemaka manamorona ny Oseana Pasifika no misy an’i Managoà, ary ao no mipetraka ny 60 isan-jaton’ny Nikaragoanina. Any afovoan-tany no mipetraka ny 30 isan-jato, ary ny 10 isan-jato any amin’ny faritra roa lavitra kokoa any amin’ny ilany atsinanana. Antsasaky ny tanin’ilay firenena ireo faritra roa any atsinanana. Miparitaka be ny mponina any, ary samy faritany mizaka tena izy ireo.

Mihakely ny tanin’i Amerika Afovoany rehefa tonga eo amin’ny sisiny atsimon’i Nikaragoà, ka 220 kilaometatra monja no manelanelana ny Ranomasina Karaiba sy ny Oseana Pasifika. Mikoriana avy eo amin’ny Farihin’i Nikaragoà anefa ny Renirano San Juan, ary mipaka any amin’ny Ranomasina Karaiba, ka ny faritr’i Rivas mirefy 18 kilaometatra sisa no manasaraka ny Farihin’i Nikaragoà amin’ny Oseana Pasifika. Talohan’ny nahavitana ny Lakan-dranon’i Panama, dia ny Renirano San Juan sy ny Farihin’i Nikaragoà no nataon’ny olona lalana, ka nanjary tena notsiriritin’ny olona i Nikaragoà. Araka ny tantara, dia nisy olona isan-karazany nipetraka teto, anisan’izany ny Maya, Azteky, Tolteky, Chibcha. Tao koa ny vahiny avy tany Espaina, Frantsa, Grande-Bretagne, Holandy, Etazonia, ary ny Firaisana Sovietika.

Hita mihitsy hoe maro ny foko sy firenena nipetraka teto, satria misy fiteny sy kolontsaina maro eto Nikaragoà. Metisy taranaky ny Espaniola sy ny tompon-tany ny ankamaroan’ny olona any amin’ny morontsirak’i Pasifika. Foko maro be kosa no any amin’ny Morontsirak’i Karaiba. Miskito sy Kreôla ary metisy no tena betsaka any, ary misy Sumo sy Rama ary Karaiba metisy afrikanina vitsivitsy koa. Mbola mitana ny fiteny sy fanaon-drazany ny ankamaroan’ny olona, kanefa tsotra sy tsy mihafahafa ary sariaka izy ireo. Mpivavaka be koa izy ireo, ary tia Baiboly ny ankamaroany.

Ho hitantsika ato amin’ity fitantarana ity fa nisy fiantraikany be teo amin’ny toetran’ny Nikaragoanina koa ny fahoriana niainan’izy ireo, vokatry ny loza araka ny natiora sy ny ady. Indroa, ohatra, no nisy horohoron-tany nandrava an’i Managoà tato anatin’ny zato taona farany, ka tany amin’ny morontsirak’i Pasifika no niandoha ilay izy. Namely ny faritra atsinanan’i Nikaragoà koa ny rivo-doza mahery, niforona tao amin’ny Oseana Atlantika. Mbola nitera-doza hafa koa anefa ny ady an-trano sy ny tolona fanovana ny rafitra ara-politika ary ny fitondrana jadona.

Tafiditra teto amin’ity tany feno farihy sy renirano ity koa anefa ny rano madion’ny fahamarinana, ka nampionona sy nanome fanantenana ho an’ny olona tso-po maro. (Apok. 22:17) Tondraka ankehitriny ny sakafo ara-panahy eto Nikaragoà, ka tena voaporofo fa tahin’i Jehovah ny asa eto. Toy ny piti-drano kely fotsiny mantsy ny vaovao tsara teto, 60 taona lasa izay.

Piti-drano kely fotsiny tamin’ny voalohany

Ny 28 Jona 1945 no tonga teto Managoà i Francis sy William Wallace, mpirahalahy iray tam-po. Anisan’ny voalohany nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izy ireo. Izy mirahalahy no nanomboka ny fitoriana ny vaovao tsara teto Nikaragoà, nialoha lalana an’ireo misionera tatỳ aoriana. Tsy izy ireo anefa no nampiditra voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana teto. Efa nisy anabavy mpisava lalana nametraka boky sy gazety tamin’ny olona teto Managoà sy tany amin’ny faritra hafa, tamin’ny taona 1934. Mbola vitsy anefa no nahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1945.

Nandefa lahateny ara-baiboly tamin’ny grafofaonina fitondra mandehandeha ry Wallace mirahalahy tamin’ny voalohany. Vaovao ho an’ny olona teto Nikaragoà ilay izy tamin’izany fotoana izany! Olona 705 àry no nihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, nandritra ny volana voalohany.

Nisy misionera efatra hafa tonga, tamin’ny volana Oktobra tamin’io taona io ihany. Mpivady izy ireo: Harold sy Evelyn Duncan, niaraka tamin’i Wilbert sy Ann Geiselman. Dodona hitory araka izay fomba rehetra azo natao izy ireo, ka nandamina ny hanaovana lahateny maromaro. Nankeny amin’ny araben’i Nikaragoà àry izy ireo, ny volana Novambra 1945, ary nizara taratasy fanasana mba hanatrika lahateny ara-baiboly. Nisy rotaka sy ady nataon’ireo mpitolona ara-politika, teo akaikin’ny toerana nanaovana ilay lahateny ho an’ny besinimaro voalohany, ka natahorana hanapaka ny fandaharana izany. Nizotra tsara anefa ny fivoriana, ary 40 mahery no nanatrika. Efa nasiana Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana tany an-tranon’ny misionera.

Taona nahafinaritra ny 1946, ho an’ireo misionera sy ireo voalohany nanaiky ny hafatra ara-baiboly. Anisan’ireo voalohany nanaiky ny fahamarinana i Arnoldo Castro, 24 taona izy tamin’izay. Nihomehy izy nitantara ny nahalalany ny fahamarinana. Hoy izy: “Nanapa-kevitra hianatra anglisy izahay telo lahy mpiray trano: Izaho sy i Evaristo Sánchez ary Lorenzo Obregón. Tonga avy tany an-tsena i Evaristo, indray andro, ary nampideradera boky iray sady nilaza hoe: ‘Nahita Amerikanina hampianatra anglisy antsika aho!’ Izay no fahazoan’i Evaristo azy, fa tsy nieritreritra an’izany mihitsy ilay olona nolazainy fa ‘mpampianatra.’ Efa niandry tsara ny lesona anglisy àry izahay telo lahy, tamin’ilay fotoana nifanomezana. Gaga sady faly ilay ‘mpampianatra’, i Wilbert Geiselman, nahita ‘mpianatra Baiboly’ efa niandry tsara, sady efa vonona tamin’ny boky.”

“Ilay boky hoe ‘Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo’, no nianaranay indroa isan-kerinandro”, hoy i Arnoldo. “Tsy nianatra anglisy akory izahay raha ny tena izy, fa nianatra ny fahamarinana ara-baiboly.” Natao batisa i Arnoldo tamin’ny Aogositra 1946, nandritra ny fivoriambe tany Cleveland any Etazonia, ary niverina teto Nikaragoà izy avy eo, nanao ny asan’ny mpisava lalana. Natao batisa koa izy roa lahy mpiray trano taminy, tamin’ny faramparan’io taona io.

Efa 83 taona izao i Evaristo Sánchez, ary finaritra erỳ izy mahatsiaro ny fahiny. “Tsy nanana toeram-pivoriana izahay tamin’ny voalohany”, hoy izy. “Vitsy anefa izahay, ka tany an-tranon’ny misionera no nivory. Nanofa trano nisy rihana izahay tatỳ aoriana, ka 30 na 40 teo ho eo izahay no nivory tsy tapaka tao.”

Izy telo lahy ireo no Nikaragoanina voalohany niara-nanompo tamin’ny misionera, teto Managoà sy teny amin’ny manodidina. Mbola kelikely ny velaran’i Managoà tamin’izany, ary 120 000 teo ho eo ny isan’ny mponina. Faritra vitsivitsy tao an-tampon-tanàna ihany no nisy arabe. “Nandeha an-tongotra foana izahay”, hoy i Evaristo. “Mbola tsy nisy fiara fitaterana tamin’izany sady tsy nisy arabe, fa lalamby sy lalan-tsarety ihany. Mihosim-bovoka àry izahay rehefa main-tany, ary mihosim-potaka rehefa fahavaratra.” Novalian-tsoa anefa ny ezak’izy ireo, satria 52 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny volana Aprily 1946.

Natsangana ny sampana

Nitsidika voalohany an’i Nikaragoà i Nathan Knorr sy Frederick Franz, avy any amin’ny foibe any Brooklyn, tamin’iny volana iny. Naharitra efatra andro ilay fitsidihana, ary 158 no nanatrika ny lahateny nataon’ny Rahalahy Knorr, nitondra ny lohateny hoe “Miravoravoa ry Jentilisa.” Nandika azy io tamin’ny fiteny espaniola ny Rahalahy Franz. Talohan’ny nandehanan’izy ireo, dia natsangan’ny Rahalahy Knorr ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Nikaragoà, mba hanara-maso ny asa. Notendrena ho mpikarakara ny sampana ny Rahalahy William Call, 26 taona, izay vao tonga avy tany Costa Rica.

Nandritra ireo taona maro nanaraka, dia nanorina tranon’ny misionera ny biraon’ny sampana, anisan’izany ny tany Jinotepe, Masaya, León, Bluefields, Granada, ary Matagalpa. Nisy mpiandraikitra ny faritra notendrena hitsidika ny fiangonana sy antoko-mpitory vaovao, mba hanatanjaka sy hampahery ireo rahalahy.

Fandresena mihelina azon’ireo mpanohitra

Vetivety dia nahita vokatra ireo rahalahy be zotom-po, ka sosotra ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Tany amin’ny Morontsirak’i Karaiba, tao an-tanànan’i Bluefieds, no nipoitra voalohany ny fanoherana; nisy misionera roa tany. Tena niharatsy ny tarehin-javatra ny 17 Oktobra 1952, rehefa nisy didim-pitsarana navoaka ho fandrarana ny asa rehetra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fifindra-monina no nanao sonia ilay didy, saingy ny mpitondra fivavahana Katolika no tena nampanao an’ilay izy.

Nilazana momba ilay didim-pitsarana ny misionera tany Bluefields, León, Jinotepe, Managoà. Nandefasana fitarainana ireo manam-pahefana ambony, ka anisan’izany Andriamatoa Somoza García, filoham-pirenena tamin’izany. Tsy nahitam-bokany anefa ilay fitarainana. Nozarazaraina àry ny mpivory, najanona ny fizarana gazety teny an-dalana, ary natao tany amin’ny toerana samy hafa azo antoka kokoa ireo boky sy gazety tao amin’ny sampana. Voarara ny asantsika satria nendrikendrehin’ireo fahavalo ho Kominista ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy mpisolovava nokaramaina àry mba hampakatra ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony.

Maro ny rahalahy tsy nivadika, na dia nisy ihany aza nilavo lefona noho ny tahotra olona. Nanatanjaka ny rahalahy anefa ireo misionera matotra ara-panahy sy be herim-po, izay nitory sy nivory foana ho fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. (Asa. 1:8; 5:29; Heb. 10:24, 25) Naharitra valo volana monja ilay fandrarana. Namoaka didim-pitsarana nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsarana tampony, ny 9 Jona 1953. Nohamafisin’io didy io fa eken’ny lalàna ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana sy haneho hevitra. Nandamòka daholo àry ny tetiky ny mpanohitra.

Ny olana natrehin’ireo misionera voalohany

Tsy ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana ihany no olana natrehin’ny misionera voalohany tonga teto. Diniho ny ohatr’i Sydney sy Phyllis Porter, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-12 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany i Sydney raha vao tonga teto Nikaragoà izy mivady, ny volana Jolay 1949. Toy izao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany, hoy izy: “Nandeha fiarandalamby na fiara fitaterana izahay. Matetika no tsy nisy rahalahy azonay nivantanana, ka nitondra zavatra hatoriana sy fatana kely hamanana rano sy handrahoan-tsakafo izahay. Tsy tafaverina tao amin’ny sampana izahay matetika raha tsy afaka roa volana sy tapany. Namokatra be anefa ny faritany, ka tsy arakay ny niverina tany amin’ny olona liana tany amin’ny faritra sasany. Nitarika fampianarana Baiboly 16, ohatra, i Phyllis rehefa nitsidika ny faritr’i Managoà izahay! Ahoana no nahitany fotoana nanaovana izany? Isaky ny andro tsy niasanay sy tamin’ireo takariva tsy nisy fivoriana izy no nampianatra.” Be fandavan-tena tokoa ireny misionera ireny!

Toy izao ny zavatra tsapan’i Doris Niehoff, tamin’izy vao tonga teto, tamin’ny 1957: “Faran’ny volana Martsa tamin’izay. Nafana ny andro ka maina daholo izay notazanina teny ambanivohitra. Mbola vitsy ny fiara tamin’izany, fa nitaingin-tsoavaly daholo ny olona sady nitondra basy! Toy ny hoe teny amin’ny toerana filalaovana filma western mihitsy aho. Nahantra na nanankarena ny olona, fa tsy nisy hoe teo anelanelany. Ny mahantra anefa no tena betsaka. Vao mainka sarotra ny fiainana, satria niady sisin-tany tamin’i Honduras i Nikaragoà. Nisy namono koa ny Prezidà Somoza García, enim-bolana talohan’ny nahatongavako, ka mbola ny tafika no nitondra ny tany sy ny fanjakana.”

“Tany León, tanàna misy oniversite, no nandefasana ahy. Tsy dia nahay teny espaniola aho, ka faly erỳ ny mpianatra namitapitaka ahy. Nanaiky, ohatra, izy ireo rehefa nilazako hoe hiverina aho hiresaka momba ny Baiboly. Nihomehy anefa izy ireo rehefa nanome ahy ny ‘anarany.’ Anaran’ilay olona namono ny prezidà no nomen’ny anankiray, ary ny iray nanome ny anaran’ny mpiady anaty akata malaza iray! Mahagaga ny tsy nanagadrana ahy, rehefa niverina aho, ka nitady an’ireo mpianatra ireo tamin’ny anarana sandoka!”

Adihevitra tamin’ny evekan’i Matagalpa

Eo amin’ny 130 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Managoà no misy an’i Matagalpa, any amin’ireo vohitra fambolena kafe. Nisy misionera efatra nalefa tany, tamin’ny 1957. Mbola tsaroan’i Agustín Sequeira ny fiainana tao Matagalpa. Mpampianatra matematika tao amin’ny sekoly katolika iray izy tamin’izany. “Katolika ny ankamaroan’ny olona”, hoy izy, “ary natahoran’izy ireo ny mompera, indrindra fa ny eveka. Ny eveka no rain’ny zanako iray tamin’ny batemy.”

Sarotra tamin’ny sampana ny nahita trano ho an’ny misionera, satria natahotra ny mompera sy ny eveka ny olona. Talohan’ny hanofana ny trano iray, ohatra, dia efa nilazana ny tompon-trano fa hanao fivoriana kristianina ao ny misionera. “Tsy misy olana izany”, hoy ilay tompon-trano.

Inona anefa no nitranga taorian’izay? Mitantara i Doris Niehoff hoe: “Hitanay fa sahiran-tsaina ilay tompon-trano rehefa tonga niaraka tamin’ny entana rehetra izahay. Efa nandefasany telegrama, hono, izahay mba tsy ho avy. Hay nampitahorin’ny eveka izy hoe tsy mahazo mianatra ao amin’ny sekoly katolika ny zanany raha mampanofa ilay trano aminay izy. Soa ihany fa tsy azonay ilay telegrama, sady efa nandoa hofan-trano iray volana izahay.”

“Nahita trano hafa ihany izahay tamin’iny volana iny, saingy olana be koa vao azo ilay izy. Mpandraharaha sahisahy ilay tompon-trano. Nanandrana nanery azy koa ilay eveka, ka novaliany hoe: ‘Eny àry e! Horoahiko ry zareo raha ianao no handoa ny hofan-trano isam-bolana.’ Mazava ho azy fa tsy nandoa an’izany ilay eveka. Mbola tsy kivy anefa izy fa noteteziny ny fivarotana rehetra, ary nametahany afisy nampitandrina ny olona tsy hiresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy navelany hivarotra taminay koa ny mpivarotra.”

Na dia nazoto aza anefa ny misionera, dia toa tsy nisy mihitsy olona vonona hanaraka ny fahamarinana tao Matagalpa. Nanana fanontaniana maro tsy voavaly kosa anefa i Agustín, ilay mpampianatra matematika. Tsy fantany, ohatra, hoe nahoana no mbola misy foana ny piramidan’i Ejipta, nefa efa ela no maty ny Farao nanangana azy ireny! Mbola tsaroany tsara fa nisy misionera nankany an-tranony ary nampiseho azy tao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniany. Hoy i Agustín: “Gaga aho nahita ireo andininy nampiseho hoe tsy natao ho faty ny olona, fa natao hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa, ary koa fa mbola hatsangana ny maty. Niaiky avy hatrany aho hoe: ‘Ity ny fahamarinana.’” Inona àry no nataony? “Nanomboka nitory tamin’ny olon-drehetra tao amin’ny sekoly nampianarako aho, anisan’izany ilay masera tale”, hoy i Agustín. “Nanasa ahy ho any aminy ilay masera ny alahady, mba hiresaka momba ‘ny faran’izao tontolo izao.’ Gaga aho rehefa tonga tany, fa ny evekan’i Matagalpa no niandry ahy tao.”

Hoy izy tamiko: “Mihamalemy finoana, hono, ise, araka ny nolazain-dry zareo.”

“Finoana inona?”, hoy aho. “Nanam-pinoana angaha moa aho hatramin’izay? Izao aho vao mianatra mba hananako ny tena finoana.”

Izay no niatombohan’ny adihevitra naharitra adiny telo, ary nanatrika teo koa ilay masera. Nafana fo tamin’ny finoany vaovao i Agustín, ka somary nivantambantam-piteny izy indraindray. Nolazainy aza fa fitadiavam-bola sy fanararaotana an’ireo tsy mahafantatra fotsiny ilay fampianaran-diso hoe tsy mety maty ny fanahin’ny olombelona. Toy izao no nanazavany azy tamin’ilay eveka: “Eritrereto, ohatra, hoe maty ny mamako. Tsy maintsy hangataka anao hanao Lamesa aho, satria hoe ao amin’ny afofandiovana ny fanahiny. Asainao mandoa vola aho hanaovana ilay Lamesa. Mbola misy Lamesa atao koa anefa rehefa afaka valo andro. Mbola manao Lamesa koa ianao rehefa afaka herintaona, dia toy izany hatrany. Tsy miteny amiko mihitsy anefa ianao hoe: ‘Tsy hanao Lamesa intsony aho, satria tsy ao amin’ny afofandiovana intsony ny fanahin’ny maman’ise.’”

Namaly ilay eveka hoe: “Ka Andriamanitra ihany ange no mahafantatra ny fotoana ivoahan’ny fanahy avy ao amin’ny afofandiovana e!”

“Dia ahoana àry no nahafantaranao ny fotoana nidirany tao, ka hitakianao vola amiko?”, hoy i Agustín, namaly azy.

Rehefa nanomboka nampiasa andininy tao amin’ny Baiboly i Agustín, dia nilaza tamin’ilay eveka ilay masera hoe: “Jereo fa Baiboly tsy izy no ampiasainy! Baiboly loteranina iny!”

“An an an, Baiboly nomeko azy iny”, hoy ilay eveka.

Gaga i Agustín fa rehefa nandeha ny adihevitra, dia nilaza ilay eveka hoe tsy tokony hinoana daholo izay lazain’ny Baiboly. “Resy lahatra aho taorian’io fihaonana io”, hoy izy, “fa aleon’ny Kristianisma Anarana ny lovantsofina toy izay ny Tenin’Andriamanitra. Mitovy amin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy izy ireo.”

Natao batisa tamin’ny volana Febroary 1962 i Agustín Sequeira. Izy no mpitory vita batisa voalohany tany Matagalpa. Nandroso ara-panahy izy ka lasa mpisava lalana sady anti-panahy. Notendrena ho anisan’ny Komitin’ny Sampana teto Nikaragoà izy, nanomboka tamin’ny 1991. Misy fiangonana roa mandroso be izao ao Matagalpa, ary 153 ny isan’ny mpitory tamin’ny taom-panompoana 2002.

Mpisava lalana mafana fo

Voatosika hampitombo ny fanompoany ny ankamaroan’ireo nandray ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana. Anisan’ireny i Gilberto Solís sy María Cecilia vadiny ary María Elsa anabaviny. Natao batisa izy telo tamin’ny 1961, ary lasa mpisava lalana manokana nahita vokatra, efa-taona tatỳ aoriana. Fiangonana sivy samihafa no naorin’izy ireo na nampahereziny teto. Anisan’ny toerana nanendrena azy ireo ny Nosy Ometepe, any amin’ny Farihin’i Nikaragoà.

Mahatratra 276 kilaometatra toradroa ny velaran’i Ometepe. Misy volkano roa any, ary 1 600 metatra ny haavon’ny anankiray. Toy ny endriky ny isa valo ilay nosy rehefa tazanina avy eny ambony, noho ireo volkano ireo. Miainga vao mangiran-dratsy ry Solís rehefa hitory any Ometepe. Mandeha fiara fitaterana izy ireo hatrany amin’izay toerana farany tongan’ny fiara, ary mandeha an-tongotra avy eo. Tsy mikiraro izy ireo matetika rehefa mamakivaky ny morontsiraka feno fasika, mandra-pahatonga any amin’ireo tanàna. Nahavita nanorina antokona mpianatra Baiboly maromaro nanerana an’i Ometepe izy ireo, tao anatin’ny herintaona sy tapany, ka ny tao Los Hatillos no lehibe indrindra.

Fambolena paraky no tena fiveloman’ny ankamaroan’ireo mpitory vaovao tany Los Hatillos tamin’ny voalohany. Tsy nampandry saina azy ireo intsony anefa ny hanohy izany asa izany rehefa nianatra Baiboly izy ireo. Manjono àry izao no asan’ny ankamaroan’izy ireo, na dia tsy mampidi-bola firy aza izany. Tena faly ry Solís nahita ny finoan’ireny olona ireny sy ny fitahiana maro hafa nomen’i Jehovah! Nitombo be ny isan’ny mpitory tao amin’io toerana io, ka nahatratra 32. Nila Efitrano Fanjakana àry izy ireo. Nanome tany hanorenana Efitrano i Alfonso Alemán mpitory vaovao, mpamboly pasteky. Aiza anefa ny mpitorin’i Los Hatillos no hahita vola hanamboarana ilay trano?

Niantso mpiasa an-tsitrapo i Gilberto Solís, mba hamboly pasteky teo amin’ilay tany. Nanome masomboly ny Rahalahy Alemán. Nampirisika ireo mpiasa an-tsitrapo mba hikararakara tsara ny “pastekin’i Jehovah” i Gilberto, ka izy mihitsy no niasa mafy mba hotahafin’izy ireo. Nikarakara tsara ny voly ireo mpitory. Mitantara izany i María Elsa, anabavy kely mafana fo: “Vao mangiran-dratsy dia efa manondraka izahay. Nahazo vokatra be intelo izahay. Ny Rahalahy Alemán no nitatitra ny vokatra tamin’ny sambony, niampita ny Farihin’i Nikaragoá nankany Granada. Namidiny ny vokatra, ary nividianany fitaovam-panorenana ny vola. Izay no nahavitana ny Efitrano Fanjakan’i Los Hatillos, ary mahatonga ny anadahiko niantso azy io hoe efitrano kely vita tamin’ny pasteky.” Tsotsotra toy izany no niandohan’ny asa tany amin’ny Nosy Ometepe, nefa misy fiangonana telo mitombo be izao any.

Nanohina ny fon’ny olona maro ny toetran’i Gilberto sy ny vadiny ary ny anabaviny. Nanetry tena izy telo ireo, sady tsara toetra ary nitoky tanteraka tamin’i Jehovah. Milaza foana i Gilberto hoe: “Tokony hihevitra an’ireo vaovao ho toy ny omby kely vao teraka isika. Mahafatifaty izy ireo nefa mbola malemy. Tsy tokony ho tezitra mihitsy isika satria hoe malemilemy izy ireo, fa ampiantsika kosa izy ireo hatanjaka.” Be fitiavana toy izany ireo mpisava lalana telo fakan-tahaka ireo, ka izany no anisan’ny nahafahany nanampy olona 265 ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa! Nahatoky mandra-pahafatiny ny vadin’i Gilberto. Efa 83 taona i Gilberto izao, ary miharatsy ny fahasalamany. Vao mainka miredareda foana anefa ny faniriany hanompo an’i Jehovah. Namaly toy izao kosa i María Elsa, rehefa nanontaniana hoe manao ahoana ny fihetseham-pony nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 36 taona: “Mbola toy ny tamin’ny voalohany ihany ny fihetseham-poko! Faly be aho, ary misaotra an’i Jehovah foana noho ny nampidirany anay tato amin’ny fandaminany masina, sy nanomezany toerana anay ao amin’ilay paradisa ara-panahy mahatalanjona.” Nandritra ireo taona maro lasa, dia maro ny mpisava lalana niasa mafy sahala amin’izy telo ireo. Nahita vokatra be teo amin’ny asan’ilay fanjakana teto Nikaragoà izy ireo, noho ny fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah.

Horohoron-tany teto Managoà, tamin’ny 1972

Nisy horohoron-tany mafy be namely an’i Managoà tamin’ny 23 Desambra 1972, tamin’ny misasakalina. Nitovy hery tamin’ny baomba ataomika 50 izy io (6,25 amin’ny mari-drefy Richter). Tany amin’ny sisiny atsinanan’i Managoà no nisy ny biraon’ny sampana, izany hoe tsy lavitra ny foiben’ilay horohoron-tany. “Efa natory daholo ny misionera” rehefa nanomboka ilay horohoron-tany, hoy i Levi Witherspoon, mpiandraikitra ny sampana tamin’izany fotoana izany. “Nivoaka haingana teny ampovoan’ny arabe izahay raha vao nijanona kely ilay izy. Nihovotrovotra mafy indray ny tany avy eo, ka nisesy indroa izany. Nisy trano maro nianjera nanodidina anay. Nisy vovoka nitora-jofo teo an-tanànanay, ary tazanay fa nidorehitra menamena ny afo niredadareda teny an-tanàn-dehibe.”

Tao an-tanàn-dehibe mihitsy ny foiben’ilay horohoron-tany, ka rava tanteraka tao anatin’ny 30 segondra monja i Managoà. Maro ny olona sempotry ny vovoka sy ny poti-javatra, ka maty teo am-pitadiavana lalan-kivoahana. Tsy fantatra ny tena isan’ny maty tamin’ilay horohoron-tany, fa misy manombantombana hoe 12 000 mahery. Rava ny 75 isan-jaton’ny trano teto Managoà, ka efa ho 250 000 no tsy nanan-kialofana, ary 100 000 teo ho eo isan’andro no nandao ny tanàna, nandritra ny telo andro taorian’ilay horohoron-tany.

Nentanin’ny fitiavana ka nanampy

Voarain’ny sampana ny antoandron’iny ny tatitra feno avy tamin’ireo mpiandraikitra ny fiangonana teto Managoà. Niara-nanao zavatra haingana ireny rahalahy nahatoky ireny, ka nitsidika izay rehetra anisan’ny fiangonana mba hahafantarana izay nilain’izy ireo. Soa ihany fa tsy nisy maty ireo Vavolombelona 1 000 mahery teto Managoà, saingy tsy nanan-trano ny 80 isan-jatony.

Nanampy avy hatrany an’ireo rahalahiny ny mpanompon’i Jehovah be fitiavana teny amin’ny manodidina. Afaka 22 ora latsaka taorian’ilay horohoron-tany dia tonga tany amin’ny sampana ny kamiao feno sakafo, rano, fanafody, ary akanjo. Ny sampana no anisan’ireo voalohany nizara fanampiana vonjy rano vaky. Tonga koa ny mpiasa an-tsitrapo avy tamin’ireo fiangonana teto Nikaragoà, ary mailaka izy ireo nanavaka ireo akanjo sy namono ny sakafo, ary nizara azy ireny. Nanomboka tonga koa ny fanampiana avy tamin’ny Vavolombelona tany an-tany lavitra.

Nihaona tamin’ny mpiandraikitra ny sampan’i Managoà ny solontenan’ny sampan’i Costa Rica sy Salvadaoro ary Honduras ny ampitso, mba handaminana fanampiana hafa. Nandray tsara an’ireo rahalahy tsy maintsy nandao ny renivohitra ny Vavolombelona teny amin’ny manodidina. Notsinjaraina ho antoko-mpitory maromaro kosa ny Vavolombelona sisa teto Managoà rehefa nivory sy nanao fanompoana. Nitsidika ireny antoko-mpitory ireny ny mpiandraikitra ny faritra, mba hampahery sy hanome fanampiana azy ireo.

Nampidina ny toe-karenan’ilay firenena manontolo ilay horohoron-tany. Nihasarotra ny fiainana, kanefa nitohy foana ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana sy ny tranon’ireo rahalahy. Nihamaro koa ny vaovao, ka nitombo ny fiangonana. Hita mihitsy hoe faly tamin’ny vahoakany i Jehovah, satria ny asan’ilay Fanjakana foana no nataon’izy ireo ho zava-dehibe indrindra.—Matio 6:33.

Nilaza ny Diary 1975 hoe: “Mbola ao amin’ny trano misy triatra na trano heva fotsiny no mivory ny ankamaroan’ireo fiangonana efatra ambin’ny folo eto Managoà. Mahavariana anefa, fa nitombo avo roa heny ny isan’ny mpanatrika fivoriana nanomboka tamin’ny herintaona. Nanan-tombo 20 isan-jato noho ny tamin’ny taon-dasa koa ny salanisan’ny mpitory, ka 2 689 izao ny mpitory mizara ny fahamarinana, ary 417 no natao batisa.”

Vetivety dia tsy nifanentana tamin’ilay fandrosoana be intsony ny biraon’ny sampana. Azonao an-tsaina àry ny hafalian’ny mpitory rehefa vita tanteraka ny biraon’ny sampana vaovao sy ny tranon’ny misionera, tamin’ny Desambra 1974, roa taona monja taorian’ilay horohoron-tany lehibe! Toerana milamindamina, teny amin’ny lalana El Raizón, 16 kilaometatra atsimon’ny tanàn-dehiben’i Managoà no nasiana ny birao vaovaon’ny sampana.

Fitiavana sy firaisan-tsaina nasehon’ny misionera

Hita fa modely tamin’ny finoana sy fiaretana ary fitiavana ny misionera teto Nikaragoà, nanomboka tamin’ny nahatongavan-dry Wallace mirahalahy, tamin’ny 1945. Nahatonga an’ireo misionera hifankatia izany toetra tsara izany, ary nanjary nifandray tsara tamin’ireo rahalahy teto izy ireo. Hoy i Kenneth Brian, misionera: “Taorian’ilay horohoron-tany teto Managoà, dia nanampy tao amin’ny sampana izahay, ary nanampy an’ireo rahalahy hifindra trano sy handevina ny havany maty. Manatsara ny fifandraisana ny fiaraha-miasa amin’ny toe-javatra toy ireny.” Nilaza toy izao momba ireo misionera namany koa i Marguerite Moore (nantsoina hoe Foster): “Samy hafa firenena sy fiaviana izahay, sady samy hafa toetra, kanefa niray saina toy ny fianakaviana iray. Nahafaly anay foana àry ny fanendrena anay, na dia teo aza ny kileman-toetranay tsirairay.”

Sarobidy tamin’ireo misionera toa an-dry Kenneth sy Sharan Brian ny soa azon’izy ireo tamin’ny ohatry ny misionera za-draharaha, toa an-dry Francis sy Angeline Wallace, Sydney sy Phyllis Porter, ary i Emily Hardin. “Niasa mafy daholo izy ireo”, hoy i Sharan, “ary tena hita fa tian’izy ireo ny asany.”

Maro koa ny misionera mpivady nanao ny asa fitetezam-paritra tao anatin’ireo taona maro lasa. Ny fanompoana tsara natombok’ireny misionera nazoto ireny no tena anisan’ny nahatonga ny fitomboana ara-panahy teto Nikaragoà, nandritra ireo 30 taona voalohany nanombohan’ny asa. Nananontanona anefa ny fisedrana, saingy tsy horohoron-tany intsony, fa zavatra maharitra sy mampidi-doza kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Izany dia ny fanindrahindram-pirenena sy ny tolom-bahoaka.—1 Kor. 3:12, 13.

Nisedra ny Kristianina ny tolom-bahoaka

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia nanomboka niely nanerana an’i Nikaragoà ny tolom-bahoaka, notarihin’ny Antoko Sandinista Mikatsaka ny Fahafaham-pirenena. Izany dia niafara tamin’ny fanonganana ilay fitondrana naharitra 42 taona, nentin’ny taranak’i Somoza. Manazava izany toy izao i Ruby Block, misionera teto Nikaragoà nandritra ny 15 taona: “Nahasorisorena ny olona ireny taona maro nisian’ny fampielezan-kevitra ara-politika ireny. Niady foana ny tafika sy ny Sandinista. Tsy maintsy nitoky tanteraka tamin’i Jehovah izahay, mba hanohizana ny fanompoanay.”

Tsy nanao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa matetika izy ireo no nampangain’ny Sandinista ho iraky ny fitondran’i Somoza na ny Sampam-pitsikilovana Amerikanina. Nanjary tsy tian’ny olona mihitsy koa ny vahiny. Nisy niampanga ho mpitsikilo, ohatra, i Elfriede Urban, anabavy misionera, tamin’izy nanao fanompoana. “Ahoana no ilazanao an’izany?”, hoy ilay anabavy. “Tsy misy fakantsary na fandraisam-peo akory atỳ amiko. Ary iza, na inona koa moa no hotsikiloviko eto amin’ny manodidina eto e?”

Namaly ilay lehilahy hoe: “Efa tsara ofana ianao, ka ny masonao ihany no fakantsary ary ny sofinao sy ny atidohanao no fandraisam-peo.”

Naverimberina eran’ny araben’i Managoà tamin’izany fotoana izany ny teny filamatra nalaza hoe: “Tsy mifanipaka ny Kristianisma sy ny tolom-bahoaka!” Avy tamin’ny teolojia naelin’ireo mpanaraka ny Marksisma teo anivon’ny Eglizy Katolika izany toe-tsaina izany, ary nanjaka tatỳ Amerika Latinina nandritra ireo taona 1970. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa io teolojia io dia natao hanampiana “ireo mahantra sy mijaly, ka mba hanaovana izany dia mila miditra amin’ny politika sy ny raharaham-pirenena ny [fivavahana].”

Hoy i Ruby Block hoe: “Matetika ny olona no nanontany anay hoe, ‘Ahoana ny hevitrareo momba ny tolom-bahoaka?’ Nohazavainay fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha ny olan’ny olombelona.” Sarotra ny tsy nivadika tamin’i Jehovah nandritra ireny fotoana nampahafana ny politika ireny. “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho”, hoy i Ruby, “mba hanatanjahany ahy tsy hiditra amin’ny politika mihitsy, tsy amin’ny teniko fotsiny fa amin’ny foko sy ny saiko mihitsy koa.”

Nanao fanafihana nahery vaika ho fanonganam-panjakana ny Antoko Sandinista, tamin’ny Mey 1979, taorian’ny hotakotaka be naharitra amam-bolana. Voatery nandositra ny Prezidà Somoza Debayle ary rava ny Tafi-panjakana. Nandray fahefana feno ireo mpitondra vaovao tao amin’ny Governemanta Fanarenam-pirenena, tamin’ny volana Jolay tamin’io taona io. Nikaragoanina 50 000 teo ho eo no maty nandritra ny tolom-bahoaka.

Nanao ahoana ireo rahalahy? Milaza toy izao ny fampandrenesana tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1979: “Tsy kivy ireo rahalahy, ary manohy indray ny fivoriana sy ny fitoriana ary ny fampianarana. . . . Rahalahy telo no maty nandritra ny fotoan’ny hotakotaka. Maro koa no nanjary tsy nanan-kialofana. Soa ihany fa mpanofa ny ankamaroan’izy ireo ka tsy dia betsaka ny fahavoazany, fa ny entany no potika sy nisy nangalatra. Nanjary vitsy kely koa ny fitaterana, satria potika ny ankamaroan’ireo fiara, sady izao vao amboarina ny lalana, ary tena mahalana vao misy ny lasantsy.” Mbola misy fisedrana lehibe kokoa miandry ny vahoakan’i Jehovah anefa.

Fisamborana sy fandroahana

Tsy ela dia niharihary fa nankahalain’ireo mpitondra vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nety nanao miaramila. Nohasarotin’ny Sampan-draharahan’ny Fadintseranana, ohatra, ny fahazoana ny boky sy gazety avy tany ivelany. Nisy lalàna navoaka koa tamin’ny 1981, hoe tsy maintsy mamerina misoratra anarana ny fikambanana tsotra sy ara-pivavahana vao ekena ho ara-dalàna. Nofoanana ilay fahazoan-dalana taloha, mandra-pahazon’ireo rahalahy ny fahazoan-dalana vaovao. Nampalahelo anefa fa tsy nivaly mihitsy ny fangatahana fahazoan-dalana fanindroany.

Nosamborina i Andrew sy Miriam Reed, tamin’ny 1981, raha mbola nitety faritra tany afovoan-tany. Nafindrafindra fonja izy ireo nandritra ny folo andro, ary tena nahatsiravina ny fiainana tany. Nentina tany amin’ny foiben’ny polisy miafina izy ireo tamin’ny farany, ary samy natokana efitra tamin’ny ankabeazan’ny fotoana. Nanaovana famotorana foana izy ireo, ary naharitra ora maro izany indraindray, mba hanerena azy ireo hilaza ny anaran’ny rahalahy tompon’andraikitra. Samy nilazana izy ireo hoe niaiky ho mpitsikilon’ny fanjakana amerikanina ny vadiny. Izy mivady aza anefa tsy amerikanina akory! Nolazaina tamin’izy ireo tamin’ny farany fa fahadisoana fotsiny ilay fisamborana. Tsy nisy zavatra niampangana azy ireo mihitsy àry, kanefa noroahina nankany Costa Rica izy ireo. Nolazaina tamin’izy ireo talohan’ny niaingany fa tsy ekena ny fandavan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hitam-piadiana, satria mila mivonona hiady ho an’ny fireneny ny Nikaragoanina rehetra.

Mailo ny Komitin’ny Sampana, ka nampiofanina mba hahay kokoa hitantana ny asa ireo rahalahy, sao sanatria hakatona ny sampana. Natomboka àry ny sekoly ho an’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny mpanampy azy. Nisy koa Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana maromaro ho an’ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, ary koa Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Ny fivoriambe no sarotsarotra nalamina.

Saika hatao tao amin’ny kianja be, ohatra, ny iray tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Tsy Fivadihana Amin’ilay Fanjakana”, tamin’ny volana Desambra 1981. Efa nanaiky hanome ilay kianja ny manam-pahefana tao Masaya, nefa nanda indray izy ireo, iray andro sy tapany talohan’ilay fivoriambe. Avy tamin’ny fanjakana ilay fanapahan-kevitra, fa tsy avy tamin’ny ben’ny tanàna. Efa nisy nampiomana anefa ireo rahalahy, ka ny omalin’iny izy ireo dia efa nifanaraka tamin’ny anabavy tsara fanahy iray, mba hampiasa ny toeram-piompiana akohony hanaovana ilay fivoriambe. Valo kilaometatra eo ho eo tany ivelan’i Managoà no nisy azy io. Nikarakara ilay toerana nandritra ny alina ireo mpiasa an-tsitrapo. Rahalahy 6 800 no nandre fa ao amin’io toerana io no hatao ny fivoriambe, ary hafatra am-bava no nampitana izany haingana.

Nakatona ny sampana

Teo am-pikarakarana sakafo maraina ho an’ny misionera namany i Ian Hunter ny asabotsy 20 Martsa 1982, tamin’ny 6.40, no nisy fiara tonga. Tompon’andraikitry ny fifindra-monina sy miaramila nitondra basimarovava no tao anatiny. Nohodidinin’ireo miaramila ny biraon’ny sampana sy ny tranon’ny misionera. “Nilaza taminay ireo tompon’andraikitra”, hoy i Ian, “mba hanamboatra ny entanay, ka valizy iray sy kitapo kely iray avy ihany no azonay nentina. Tsy nanazava izy ireo, fa nilaza fotsiny hoe hapetrany any amin’ny trano iray aloha izahay mandritra ny famotorana. Nijaikojaiko nankao amin’ny birao i Reiner Thompson, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana, ary nampandrenesiny an-telefaonina momba izay nitranga ireo misionera tany amin’ny trano hafa.”

“Tamin’izay”, hoy i Ruby Block, “vao azoko ny tena dikan’ny tenin’i Paoly hoe: ‘Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana . . . no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.’ (Fil. 4:6, 7) Nisy miaramila nitam-basy nitsangana teo am-baravavan’ny lakozia rehefa nivavaka ho anay i Reiner Thompson. Niara-nanao ‘Amena’ tamin’ny fo manontolo izahay. Tony tsara izahay rehetra taorian’izay, na dia mbola tsy fantatray aza izay hitranga. Natoky izahay fa na inon-kidona na inon-kihatra, dia hanatanjaka anay hiatrika izany i Jehovah. Izany no lesona tsy hay hadinoina sy sarobidy noraisiko tamin’iny zava-nitranga iny.”

Manazava izay nitranga taorian’izay ny Rahalahy Hunter: “Nampidirina tao anaty fiara izahay, ary nentina tany amin’ny toerana iray fambolena kafe. Nampahatsiahiviko ny tompon’andraikitra hoe manana zo hiresaka amin’ny ambasadinay izahay satria vahiny. Nilaza anefa izy ireo fa foana izany zo rehetra izany, nanomboka tamin’ilay filazana hoe latsaka an-katerena ny firenena, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Rehefa tafavoaka an’i Nikaragoà, hono, izahay vao afaka miresaka amin’izay tianay hiresahana. Izany no nahafantaranay fa horoahina hiala an’i Nikaragoà izahay.” Tsy nampiarahina ireo misionera sivy nipetraka tao amin’ny sampana rehefa nalefa tany amin’ny sisin-tanin’i Costa Rica ny androtr’iny.

Nandritra izany fotoana izany, dia efa nanao izay azo natao haingana ireo misionera nipetraka tany amin’ny toerana roa hafa, raha vao naharay ny antso an-telefaonin’ny Rahalahy Thompson. Nampian’ireo rahalahy izy ireo hamindra ny fitaovana, toy ny milina fanaovana pirinty sy ny entan’izy ireo. Gaga ireo tompon’andraikitry ny fifindra-monina rehefa tonga, satria tsy nisy entana firy intsony tao an-trano, ary efa teo am-panamboarana ny valiziny ireo misionera. Ny alin’iny ihany, dia nentina tany amin’ny seranam-piaramanidina ireo misionera folo tao amin’ireo trano roa. “Nolazain’izy ireo fa mpanohitra ny tolom-bahoaka izahay”, hoy i Phyllis Porter. “Tsy nosavaina akory anefa izahay na ny entanay. Tsy nanana tapakilam-piaramanidina izahay, kanefa hita tamin’ny tapakila teo amin’ny entanay fa halefa any Panama izahay.” Mbola nisy mpivady misionera anglisy tavela teto, mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo. Noroahina koa anefa izy ireo rehefa afaka volana vitsivitsy.

Tafahaona tao amin’ny sampan’i Costa Rica daholo ireo misionera, rehefa afaka andro vitsivitsy. Tao izy ireo no nahazo fanendrena tamin’ny Filan-kevi-pitantanana, mba hanohy ny asany tany amin’ireo tany manodidina, toa an’i Belize, Ekoatera, Salvadaoro, ary Honduras. Nijanona kely tao Costa Rica anefa i Reiner sy Jeanne Thompson ary Ian Hunter, mba hahafahan’izy ireo hifandray tamin’ireo rahalahy niandraikitra ny asa teto Nikaragoà.

Nanao ahoana ireo rahalahy nikaragoanina? Nitantara ny Rahalahy Hunter hoe: “Nitomany ireo rahalahinay raha vao nandre hoe noroahina izahay. Tsy kivy anefa izy ireo fa manohy ny asa hatrany. Mitari-dalana tsara ireo rahalahy vao notendrena hiandraikitra ny asa, ary matoky izahay fa hiasa tsara izy ireo.” Tsaroan’i Félix Paiz, rahalahy nikaragoanina, izay mpiandraikitra ny faritra efa ela, fa toy izao ny fihetseham-pon’ireo rahalahy rehefa noroahina ny misionera: “Nalahelo mafy mihitsy izahay. Tsy nitsitsy fotoana ireo misionera, sady tsy nitandro hasasarana mba hanampiana ny olona. Nahatoky foana izy ireo. Nanatanjaka anay ny ohatra navelan’izy ireo sy ny asa tsara natombok’izy ireo teto amin’ity firenena ity.”

Tsy voarara, nefa voafehifehy

Tsy azon’ny fanjakana tsara indraindray ny dikan’ny hoe tsy miditra amin’ny politika sy ny ady ary ny fifandonana eo amin’ny fiaraha-monina ny Vavolombelon’i Jehovah. Matetika àry no mifanohitra ireo fiampangana atao amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Nampangain’ny mpanohitra ho Kominista, ohatra, izy ireo nandritra ny fitondran’i Somoza tamin’ireo taona 1950 sy 1960. Niampanga azy ireo ho mpitsikilon’ny fanjakana amerikanina indray anefa ny Sandinista. Nomba ny Sandinista koa ny fampitam-baovao ka niantso ny Vavolombelona hoe “mpanohitra ny tolom-bahoaka.”

Tsy voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy afaka nanao ny asany malalaka izy ireo, teo anelanelan’ny taona 1982 sy 1990. Tsy nahazo nampiditra boky sy gazety teto Nikaragoà, ohatra, izy ireo. Natao koa izay hanaraha-maso akaiky izay nataon’izy ireo, na dia nitovy tamin’izay fanaon’ny olona tamin’ny ankapobeny aza izany.

Fanaraha-mason’ny manodidina

Hoy ny boky iray ao amin’ny Tranombokin’ny Antenimieram-pirenena: “Nanangana fikambanana isan-karazany teto Nikaragoà ny Antoko Sandinista, raha vao tapitra ny tolom-bahoaka.” Nisy, ohatra, fikambanan’ny mpiasa madinika, ny vehivavy, ny mpiompy, ny mpamboly, ary ny tantsaha. Milaza ilay boky fa “Nikaragoanina 250 000 teo ho eo no niditra tao amin’ny fikambanana naorin’ny Sandinista, tamin’ny 1980.” Anisan’ny natanjaka indrindra tamin’ireny fikambanana ireny ny Komitim-piarovana Sandinista, izay nanaraka ny Kominisma. Nitsinjara ho komity isam-paritra ny Komitim-piarovana ary nanao fanisam-bahoaka isan-tanàna. “Nahafantatra ny tranon’ny olona rehetra” àry izy ireo, hoy ilay boky. Mora tamin’ny fanjakana ny nanangona sy nampiely vaovao tamin’ny alalan’ny Komitim-piarovana.

Nisy nanao fampielezan-kevitra be nanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanjary narahi-maso akaiky ny asan’izy ireo. Nolazain’ny komity isam-paritra tany amin’ny manam-pahefana sandinista foana izay olona nahiahina ho nanao zavatra nanohitra ny tolom-bahoaka na ny Kominisma. Matetika no nosamborin’ny polisy miafina nampiasain’ny Fiarovam-pirenena ireo olona nahiahina.

Andraikitry ny Komitim-piarovana Sandinista koa ny nandamina ny anjara fiambenana tamin’ny alina. Olon-tsotra, lehilahy sy vehivavy, no nantsoina handray anjara, hiambina jiolahy na hijery izay nanao zavatra ho fanoherana ny tolom-bahoaka teny amin’ny manodidina. Tsy nandray anjara tamin’izany ny Vavolombelona, sady tsy namela ny tranony hanaovan’ny Komitim-piarovana fivoriana isan-kerinandro. Nanaiky kosa izy ireo rehefa nampanaovina asa an-tsitrapo hafa, toy ny fanadiovana lalana. Mbola nihevitra foana anefa ny olona hoe mafana fo loatra amin’ny fivavahana ny Vavolombelona, ary mety hampidi-doza ho an’ny Fanjakana. Nilaza ny rahalahy iray hoe: “Tamin’ireny fotoana ireny, dia nisy nanoratra teo amin’ny varavaran’ny tranonay hoe: ‘Manara-maso anareo izahay.’”

Mailo nefa nahery fo

Mailo ireo rahalahy rehefa namonjy fivoriana kristianina sy nanao fanompoana, mba tsy hisarika ny sain’ny olona. Olona vitsy kely no niara-nivory, ka tsy tsikaritry ny olona. Tranon’olona na Efitrano Fanjakana tsy nisy soratra famantarana no nanaovana izany. Matetika no tsy nihira ireo rahalahy rehefa nivory, tany amin’ny toerana sasany. Tatỳ aoriana, dia nosoloana tarehimarika ny anaran’ny mpitory tao anatin’ireo taratasy sy tatitry ny fiangonana. Tsy nasaina hanatrika fivoriana koa ny olona liana, raha tsy efa nianatra nandritra ny enim-bolana, fara fahakeliny, ary efa hita mihitsy fa nandroso ara-panahy.

Notsinjaraina mba ho vitsy kokoa ny mpanatrika fivoriambe, ary nohafohezina ny fandaharana. Nalefa tany amin’ny fiangonana tsirairay ny drafitry ny lahateny sy ny zavatra nilaina hafa, ka ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana za-draharaha no nandamina ny fandaharana sy nanao izany ho an’ny fiangonana. Niezaka nitsidika ny maro tamin’ireny fivoriambe ireny ny komity niandraikitra ny asa teto Nikaragoà sy ny mpiandraikitra mpitety faritany.

Samy nifampilaza momba ny toerana hanaovana ny fivoriambe fotsiny ireo rahalahy. Tsy nisy nofoanana mihitsy ireo fivoriambe, saingy tsy maintsy novana tampoka ny toerana nanaovana ny sasany. Saika hanaovana fivoriambe hisy mpanatrika 300 eo ho eo, ohatra, ny tokotanin’ny rahalahy iray tany ambanivohitra, tamin’ny 1987. Nisy miaramila tonga tampoka anefa. “Inona daholo ireto?”, hoy ny sefon’izy ireo.

“Hanao fety eto izahay”, hoy ilay rahalahy. Tsikaritr’ilay rahalahy ny kiraron’ilay sefo, ka fantany fa iraky ny Fiarovam-pirenena izy. Lasa ireo miaramila avy eo. Hitan’ireo rahalahy sy anabavy fa niahiahy ny manam-pahefana, ka noravan’izy ireo nandritra ny alina ny zavatra rehetra teo amin’ilay tokotany. Tamin’ny 5.00 maraina, dia efa tsy teo intsony ny seza sy ny lampihazo ary ny fitaovana fandrahoan-tsakafo, sady efa voafindra tany an-toeran-kafa, tokony ho iray kilaometatra sy sasany avy teo. Ireo tovolahy matanjaka no nirahina hampandre an’ireo rahalahy hoe niova ny toerana hanaovana ny fivoriambe. Nisy fiara tonga ny antoandron’iny, nitondra miaramila nirongo fiadiana. Saika handrava ny fivoriambe sy haka tanora hanao raharaha miaramila izy ireo, ary hisambotra an’ireo rahalahy nitarika. Ilay tompon-trano anefa sisa no tratran’izy ireo teo.

“Nankaiza daholo ny olona?”, hoy ilay sefo.

“Nanao fety izahay alina, fa efa tapitra ilay izy”, hoy ilay rahalahy.

“Tsy nanao fivoriambe ve ianareo?”, hoy ilay sefo.

“Izao hitanao izao ka! Tsy misy na inona na inona eto”, hoy ilay rahalahy.

Tsy natoky ilay sefo, ka hoy indray izy: “Ary nankaiza daholo ny labasy teto omaly?”

“Efa tapitra ilay fety”, hoy ihany ilay rahalahy, “ka nahoron’izy ireo daholo ny entana, dia lasa izy.”

Lasa ireo miaramila avy eo. Tamin’izay anefa, dia efa nanaraka fandaharana ara-panahy nampahery tany amin’ilay toerana hafa ireo rahalahy.

“Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia”, hoy i Jesosy, “koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.” (Matio 10:16) Nampiharin’ireo mpitory ireo toromarika ireo, tsy tamin’ny fivoriana sy fivoriambe ihany, fa tamin’ny fanompoana koa. Tsy niaraka maro be izy ireo rehefa nitory, fa nandeha tsiroaroa tany amin’ny faritany efa nomena mialoha. Hoy ny Rahalahy Paiz, mpiandraikitra ny faritra: “Tsy maintsy nitandrina tsara izahay. Baiboly ihany no nentinay nanompo. Rahalahy samy hafa foana koa no notendrena hiaraka tamiko. Nitety fianarana boky aho rehefa nitsidika fiangonana sasany, ka fianarana boky hafa no notsidihiko ny talata, hafa ny alakamisy, ary hafa koa ny alahady. Tsy voatery nitandrina be toy izany kosa izahay tany amin’ny faritra sasany.”

Fakana fananana sy fisamborana

Notafihin’ny mpirotaka ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny faritra maromaro teto Nikaragoà, indray alina, tamin’ny Jolay 1982. Olona 100 teo ho eo, ary nisy aza 500 mahery mihitsy, niaraka tamin’ny iraky ny Fiarovam-pirenena, no naka an-keriny ireo Efitrano “ho fananam-bahoaka.” Nalain’izy ireo koa ny Efitrano Fanjakana dimy sy ny Efitrano Fivoriambe iray ary ny tranon’ny sampana taloha tany El Raizón, ny 9 Aogositra, teo anelanelan’ny tamin’ny 7.00 sy tamin’ny 9.00 alina. Rahalahy nikaragoanina enina sy mpivady misionera mbola tafajanona teto no niambina an’ilay tranon’ny sampana, rehefa lasa ny misionera tamin’ny Martsa. Noroahin’ny manam-pahefana sy ny vahoaka romotra koa anefa izy ireo, ary tsy navelany hitondra ny entany akory.

Nomen’ny fanjakana hampiasain’ny Komitim-piarovana ireo trano nalain’izy ireo, izay nolazaina fa “fananam-bahoaka.” Mody natao hoe hamboarina mba ho azon’ny besinimaro hampiasaina izy ireny. Nisy 35 tamin’ireo trano 50 no nalain’izy ireo sy nampiasainy, nefa tsy nisy taratasy ara-dalàna momba izany akory.

Narahi-maso akaiky sy norahonana matetika ireo rahalahy tompon’andraikitra, nandritra ireny fotoana nanjakan’ny fanindrahindram-pirenena ireny. Nitabataba teny anoloan’ny tranon’ireo rahalahy, ohatra, ny mpirotaka mpomba ny Komitim-piarovana tany amin’ny faritra sasany, ka namerimberina fiampangana sy teny faneva ara-politika. Nisava ny tranon’ireo rahalahy ny iraky ny Fiarovam-pirenena, ary nisy trano sasany norobain’izy ireo. Maro ny anti-panahy nosamborina sy nampijalina, anisan’izany ny rahalahy niandraikitra ny asa teto.

Anisan’ny anti-panahy voalohany niharan’izany i Joel Obregón, mpiandraikitra mpitety faritany. Nohodidinin’ny iraky ny Fiarovam-pirenena ny trano nipetrahan’i Joel sy i Nila vadiny, ny 23 Jolay 1982, ary nosamborin’izy ireo i Joel. Nitady hevitra hitsidihana ny vadiny foana i Nila. Afaka iray volana sy herinandro anefa izy vao navela hahita azy, sady izay indray nandritra ny telo minitra monja, ary natrehin’ny miaramila. Azo antoka fa nampijalin’izy ireo i Joel, satria hitan’i Nila fa lasa nahia kely izy sady tsy afa-niteny tsara. “Tsy mety miara-miasa aminay i Joel”, hoy ny miaramila iray tamin’i Nila.

Nafahana ihany i Joel rehefa afaka telo volana. Very 20 kilao izy. Nisy anti-panahy hafa koa nosamborina sy nofotorana ary nafahana avy eo. Tena nanatanjaka ny finoan’ireo rahalahiny ny tsy fivadihan’ireny anti-panahy ireny!—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fihaonana Tamin’ny Polisy Miafina”, pejy 99-102.

Voasedra ny tanora kristianina

Ny rahalahy tanora no tena voasedra, rehefa nampiharina ny lalàna iray tamin’ny 1983, momba ny fanaovana raharaha miaramila tambabe nantsoina hoe Raharaha Miaramila ho An’ny Tia Tanindrazana. Tsy maintsy nanao miaramila nandritra ny roa taona ny lehilahy 17 ka hatramin’ny 26 taona, ary natao rezervista nandritra ny roa taona fanampiny. Nentina nampiofanina tany amin’ny toby miaramila avy hatrany ireo nisoratra anarana. Tsy nisy mihitsy fifampiraharahana azo natao ho an’ireo nanda tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Tany am-ponja no niandry fitsarana izay nanda, ary roa taona an-tranomaizina ny sazy. Nahery fo ireo rahalahy niatrika izany fisedrana izany, sady tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah.

Nosamborin’ny polisy, ohatra, i Guillermo Ponce ny 7 Febroary 1985, tamin’izy handeha hampianatra Baiboly. Roapolo taona izy tamin’izay, ary mpisava lalana teto Managoà. Tsy nanana karatra maha miaramila izy, ka nalefa tany amin’ny toby fampiofanana miaramila. Tsy nety nandray fiadiana anefa i Guillermo, fa nitory tamin’ireo miaramila zazavao kosa. Nahita izany ny sefo iray avy any Cuba, mpampiofana miaramila, ka nivazavaza hoe: “Tsy fiangonana ity fa toby miaramila. Tsy maintsy manaiky anay ianao atỳ!” Namaly azy i Guillermo, ka nanonona ny Asan’ny Apostoly 5:29 hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Nisintona ny Baiboly teny amin’i Guillermo ilay sefo ary nandrahona azy hoe: “Hiresaka isika rahalina.” Te hilaza izy hoe hanao izay hampiova hevitra an’i Guillermo.

Soa ihany fa tsy nanao an’izany ilay sefo. Telo andro taorian’izay anefa, dia nafindra tany amin’ny fonja hafa i Guillermo. Nogadraina tany nandritra ny sivy volana izy, ary nahatsiravina ny fiainana tany. Mbola nanohy ny asan’ny mpisava lalana foana anefa izy tany, ary nitarika fampianarana Baiboly sy fivoriana tao am-ponja. Tena nanampy ny komity niandraikitra ny asa teto i Guillermo, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny.

Tsy nogadraina ny rahalahy tanora sasany, fa noterena ho any an-tendrombohitra niaraka tamin’ireo tafika mpiady anaty akata. Nizara ho antokony dimy na enina avy ny andian-tafika, ka ny antokony tsirairay dia nisy lehilahy 80 na 90 voaofana hiady tany anaty ala, tany an-tendrombohitra. Tany no natao ny ady nahery vaika indrindra nifanaovan’ny Sandinista sy ny mpiady anaty akata mpifanandrina taminy. Tsy nety nanao fanamian’ny miaramila ireo rahalahy, sady tsy nanaiky hitam-piadiana, kanefa noterena hankany an’ady ihany, ary nosazina sy nolevilevena.

Niaritra an’izany ny Rahalahy Giovanni Gaitán, tamin’izy 18 taona. Noterena hiditra tao amin’ny tafika izy, taloha kelin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tokony ho nanaovana batisa azy, tamin’ny volana Desambra 1984. Nalefa tany amin’ny toby fampiofanana miaramila izy, ary noterena hianatra hampiasa basy sy hiady tany anaty ala, nandritra ny iray volana sy tapany. Tsy nety ‘nianatra ady’ anefa i Giovanni, satria tsy nanaiky izany ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. (Isaia 2:4) Tsy nanaiky hanao fanamiana sy hitam-piadiana izy. Noterena hiaraka tamin’ireo mpiady anaty akata ihany anefa izy, nandritra ny roa taona sy telo volana.

“Mba tsy hahakivy ahy, dia nivavaka foana aho ary nisaintsaina izay nianarako taloha sady nitory tamin’ireo miaramila liana. Tsaroako matetika ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: ‘Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.’”—Sal. 121:1-3; 1 Tes. 5:17.

In-40 teo ho eo i Giovanni no noterena hankany ampovoan’ny ady, kanefa tafavoaka velona izy sady tsy naratra mihitsy. Natao batisa izy ny 27 Martsa 1987, rehefa nafahana, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izy taoriana kelin’izay. Maro ny rahalahy tanora nahatoky natao toy izany koa.—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Noterena Hankany An’ady”, pejy 105, 106.

Tsy nety nandray anjara tamin’ny ady

Nendrikendrehin’ny mpanao gazety sy ny Komitim-piarovana ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe mitety trano mba hitaona ny olona tsy hanao miaramila. Nolazain’izy ireo fa mandrava ny fiarovam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah, satria hoe nandresy lahatra ny tanora nikaragoanina tsy hanao miaramila. Naverimberina foana izany fanendrikendrehana izany, ka nanjary diso hevitra koa ny mpampanoa lalàna sy ny mpitsara. Mbola nanampy trotraka izany ny mpitondra fivavahana tao amin’ireo Fiangonana Protestanta nalaza. Nanohana ny tolom-bahoaka izy ireo, ary izay tsy nandray anjara tamin’ny ady noho ny fivavahany dia nampangainy ho “fahavalom-bahoaka.”

Nampakatra ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ambony ny mpisolovava Vavolombelona iray, satria nisy rahalahy tanora 25 nohelohina higadra roa taona rehefa tsy nety nanao miaramila. Tsy neken’ny lalàna anefa ny fandavana tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Mba hampihenana ny sazy fotsiny àry no nampakarana ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ambony. Nohazavaina tamin’izay fa tsara fitondran-tena ireo voampanga, ary tsy nanohitra izy ireo rehefa nosamborina. Nanesorana enim-bolana ka hatramin’ny herintaona sy tapany àry ny sazin’ny rahalahy sasany.

Nanatrika ilay fitsarana ny Rahalahy Julio Bendaña, ary hoy izy: “Nahagaga fa ny tanora Vavolombelon’i Jehovah ihany no nanda tsy hanao miaramila noho ny fivavahana. Tena faly aho nahita ireo tanorantsika vao 17 taona monja, nefa sahy nijoro sady hentitra tsara nanda tsy handray anjara tamin’ny ady, teo anatrehan’ny mpitsara sy ny miaramila mpampanoa lalàna sady voahodidina mpanohitra maro be.”—2 Kor. 10:4.

Fanontam-pirinty niafina

Nanampy sy nitari-dalana an’ireo rahalahy teto Nikaragoà foana ny Filan-kevi-pitantanana, nandritra izany fotoana izany, ka nampiasa ny sampan’i Costa Rica sy ny komity niandraikitra ny asa. Tsy azo nampidirana boky avy tany ivelany anefa teto. Ahoana àry no nizarana ‘hanina tamin’ny fotoana’? (Matio 24:45) Mbola noho ny fanampian’i Jehovah ihany.

Nahazo lahatsoratra fianarana tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy lahatsoratra hafa ara-baiboly ireo rahalahy, tamin’ny 1985, noho ny fanampian’ny orinasa iray mpanao pirinty. Tsy azo antoka anefa izany, satria nanjary azon’ny mpanohitra nosakanana ny asantsika. Nisy milina iray anefa nanaovana pirinty ny fandaharan’ny fivoriambe sy ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana, rehefa nikatona ny sampana. Tapaka àry ny hevitra fa io milina io no hampiasaina, ary tany an-tranon’ny anabavy iray tany ivelan’i Managoà no nasiana azy.

Nampalahelo fa lasan’ny fanjakana ilay milina, ny volana Novambra tamin’io taona io. Tsy nisakana an’ireo rahalahy tsy hanohy ny asa izany fahavoazana izany. Teo no ho eo ihany izy ireo dia nanamboatra ny simba tamin’ny milina tranainy hafa, izay nopetahan’izy ireo anarana hoe Ilay Akoholahy. Io milina io taloha no nanaovana pirinty taratasy sy fandaharana ary fanasana. Nahazo milina hafa fanaovana kopia indray ireo rahalahy, rehefa lasa sarotra ny nahita piesy hasolo ny simba tamin’ilay Akoholahy. Nantsoin’izy ireo hoe Ilay Akohokely indray ilay milina vao azo. Nahazo milina hafa avy tamin’ny sampan’i Salvadaoro koa izy ireo tatỳ aoriana. Tian’izy ireo erỳ ny nametaka anaram-biby tamin’ireo milina, ka nantsoin’izy ireo hoe Ilay Akohovavy indray ilay milina farany.

Tsy tena ary fomba ny fitaovana, nefa tena namokatra. Nisy karazana tabilao nampiasaina rehefa nanao kopia. Nantsoin’ireo rahalahy hoe las tablitas na tabilao kely izy ireny. Ny Rahalahy Pedro Rodríguez mpanao fanaka, izay natao batisa tamin’ny 1954, no namboatra ireo tabilao mahitsizoro roa. Lamba makarakara no teo amin’ilay mahitsizoro ambony, ary fitaratra na hazo kosa no teo amin’ilay mahitsizoro ambany. Savily no nampitambatra azy ireo. Tsotra toa an’io fitaovana io koa ny fanaovana pirinty taminy. Atao eo ambanin’ilay lamba makarakara ny taratasy modely efa misy soratra loadoaka natao tamin’ny milina. Eo amin’ilay mahitsizoro ambany kosa ny taratasy madio. Ahosotra amin’ilay lamba ny ranomainty, ka tanteraka eo amin’ilay modely, ary mamela soratra ao amin’ilay taratasy madio. Dia ampidirina indray ny taratasy madio manaraka.

Namizana ilay izy, kanefa nahavitan-javatra maro, anisan’izany ireo hira 225 ao amin’ny fihirana Mihirà Fiderana ho an’i Jehovah. Nilaza i Edmundo Sánchez, anisan’ny niasa tao amin’ny fanontam-pirinty, fa “nahavita 20 pejy isa-minitra ireo rahalahy rehefa zatra nampiasa tsara an’ireo tabilao kely. Ny tontalin’ny fihirana vitanay fotsiny no efa nisy 5 000.”

Anisan’ny anabavy voalohany nanampy tamin’ny fanomanana ny modely natao kopia i Elda, vadin’i Edmundo. Ny milina fanoratany no nampiasainy nandikana an’ireo modely. Renim-pianakaviana izy, kanefa nifoha maraina be ary niasa hatramin’ny alina be, namita ireo lahatsoratra fianarana tamin’ny Tilikambo Fiambenana mbola hatao kopia. Hoy i Elda: “Omen’i Edmundo ahy ny gazety voaray avy any Costa Rica. Tsy fantatro mihitsy ny isan’ny mpiasa mpanao pirinty sy ny toerana niasan’izy ireo, fa izay asa nasaina nataoko ihany no fantatro. Fantatro koa anefa fa raha tratra izahay, dia halain’ny olona ny tranonay sy ny fitaovanay rehetra ary mety hosamborina izahay, ka ‘hanjavona tanteraka.’ Tsy natahotra olona anefa izahay, satria latsa-paka tao aminay ny fitiavana sy ny tahotra an’i Jehovah.”

Ny toerana fanontam-pirinty

Mbola tadidin’i Guillermo Ponce ny toerana fanontam-pirinty tamin’izany fotoana izany. Mpitsara tsipelin-teny izy sady mpanelanelana an’ireo rahalahy nanomana ny taratasy modely sy ireo nanao pirinty ary ireo nanatitra izay zavatra vita. Manazava ny Rahalahy Ponce hoe: “Tany an-tranon’ny fianakaviana Vavolombelona sasany no natao ny fanontam-pirinty. Efitra iray nasiana efitrefitra no nisy an’ireny fanontam-pirinty ireny, ka tery kely ny toerana niasana. Nalefanay mafy be tao ambadiky ny trano fiasana ny kasety na radio, mba tsy handrenesana ny feon’ny milina.”

Tera-tsemboka ireo rahalahy tao amin’ireo efitra kely, nanao kopia Ny Tilikambo Fiambenana sy boky hafa nandritra ny adiny sivy na adiny folo isan’andro. Matetika no tsy maintsy nafindra haingana tany an-toeran-kafa ny fitaovana rehetra, raha vao nisy niahiahy ny mpiray tanàna, na rehefa nisy nilaza tany amin’ny manam-pahefana.

Noheverina ho toy ny fanompoana tao amin’ny Betela ilay asa, ary rahalahy mpitovo mbola tanora no nanao azy. Vao 19 taona, ohatra, i Felipe Toruño ary vao vita batisa, tamin’izy nantsoina hiasa tao amin’ny toerana fanontam-pirinty iray. “Izao no voamariko raha vao tonga tany”, hoy i Felipe: “Tery kely ilay trano sady tsy ampy rivotra, ary nahery be ny fofon’ilay ranoka fanitsiana ny diso tamin’ireo taratasy modely. Nila tsy ho zaka ny hafanana, ary jiro kely iray no nanazava ilay trano.”

Nisy olana hafa koa anefa. Simba matetika ny milina, nefa tsy azo nentina tany amin’ny mpanamboatra. Tsy maintsy hanontany mantsy ny olona hoe: ‘An’iza ity? Fa inona no ataonareo pirinty? Efa nanaiky ny hanaovana an’izany ve ny fanjakana?’ Ireo rahalahy ihany àry no nanamboatra ny simba, ary namorona piesy mihitsy aza izy ireo indraindray. Tapaka foana koa ny jiro. “Te hahavita ny isa tokony henjehina foana anefa ireo mpiasa”, hoy ny Rahalahy Ponce. “Hitako izy ireo indraindray nampiasa jiron-tsolitany, ka maintin’ny setroka tamin’ilay jiro ny oron’izy ireo. Nandrisika ahy hanohy ilay asa foana ny fahitako fa zava-dehibe tamin’ireo rahalahy tanora nahafinaritra ireo ilay asa, ary nanana toe-tsaina tsara izy ireo sady be fandavan-tena.”

Fahatsiarovana mahafinaritra

Faly erỳ i Felipe Toruño rehefa mieritreritra ny niasany nandritra ny efa-taona tao amin’ny fanontam-pirinty niafina. “Notadidiko foana”, hoy i Felipe, “hoe sasa-miandry an’ity sakafo ara-panahy tena ilaina ity izao ireo rahalahy. Faly foana àry izahay nanao ilay asa, na teo aza ny olana maro.” Mitantara toy izao i Omar Widdy, niasa tao amin’ny fanontam-pirinty nanomboka tamin’ny Jona 1988 mandra-pifaran’izany tamin’ny Mey 1990: “Ny fifankatiavan’ireo rahalahy no tena nanohina ny foko. Vonona sy dodona hianatra ireo vaovao, ary naharitra ireo rahalahy nampianatra azy ireo asa isan-karazany. Tsy tonga lafatra ny fomba fiasa, kanefa tia zavatra ara-panahy ireo mpiasa an-tsitrapo tanora ireo, sady nahatsapa fa nila fandavan-tena be io endri-panompoana io.”

Niasa tao amin’ny fanontam-pirinty koa i Giovanni Gaitán. Hoy izy: “Ny fankasitrahana an’i Jehovah sy ny fandaminany no tena nanampy anay. Tsy nahazo vola fanampiana izahay, kanefa tsy nampaninona anay izany. Nahazo izay nilaina izahay. Raha ny amiko aloha, dia efa imbetsaka aho no nila ny niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Tsy nanahy ny amin’izay nilaiko mihitsy àry aho. Tena ohatra tsara ho ahy ireo rahalahy toa an-dry Guillermo Ponce sy Nelson Alvarado ary Felipe Toruño. Nampahery ahy koa ireo rahalahy efa zokinjokiny nitarika ny asa. Rehefa mieritreritra ny lasa aho, dia azoko lazaina fa nahasoa ahy ny zavatra rehetra niainako tamin’ireny fotoana ireny.”

Tsapan’ireo nandray anjara tamin’ny asa rehetra natao tamim-piafenana, fa nanampy tamin’ny lafiny maro i Jehovah, na dia tamin’ny fanontam-pirinty ihany aza. “Pejy 300 ka hatramin’ny 500 ihany no vitan’ny taratasy modely iray raha ny tokony ho izy”, hoy ny Rahalahy Gaitán, “nefa ny anay nahavita 6 000 pejy!” Nahoana no tsy maintsy nampiasainay mihoatra noho ny tokony ho izy ireo modely sy fitaovana hafa? Satria tsy ampy ny akora teto an-toerana. Mpivarotra teo ambany fanaraha-mason’ny fanjakana ihany koa no nivarotra azy ireny. Mora hita raha vao nisy nividy zavatra betsaka loatra, ka nety ho nosamborina ilay mpividy. Notahin’i Jehovah àry ny fiezahan’ireo rahalahy, ka tsy nahita na nanakatona toerana fanontam-pirinty hafa intsony ny manam-pahefana, ankoatra ilay fanontam-pirinty taloha.

Nanampy tamin’ny asa fanontam-pirinty koa ireo rahalahy namelom-bady aman-janaka, na dia notandindomin-doza aza izy ireo matetika. Maro tamin’izy ireo, ohatra, no nitatitra tamin’ny fiarany ny boky sy gazety vita pirinty. Nandeha nandritra ny andro manontolo izy ireo indraindray, ary maro ny toeram-pisavan’ny miaramila nandalovan’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa nety halaina ny fiarany, ary nety hosamborina sy hogadraina mihitsy izy ireo raha tratra. Tsy nahakivy azy ireo anefa izany. Mazava ho azy fa tena nila ny fanampian’ny vadiny ireny rahalahy ireny, ary nandray anjara lehibe tokoa ireo vehivavy nandritra ny fotoan-tsarotra, araka ny ho hitantsika manaraka.

Vehivavy matotra ara-panahy sy nahery fo

Maro ny vehivavy kristianina tena nahery fo sy tsy nivadika, nandritra ny fotoan-tsarotra teto Nikaragoà. Niara-niasa tamin’ny vadiny izy ireo, ka navelany hampiasaina tamin’ny fanontam-pirinty niafina ny tranony, ary naharitra volana maromaro izany matetika. Izy ireo koa no niantoka ny sakafo sy nikarakara izany ho an’ireo mpiasa. “Nifandray am-po tamin’ireny anabavy Kristianina ireny izahay rahalahy tanora”, hoy i Nelson Alvarado, nanampy tamin’ny fampandehanana ny fanontam-pirinty. “Toy ny reninay mihitsy izy ireo, ary toy ny zanany izahay, ka niasa mafy ho anay izy ireo. Niasa hatramin’ny efatra maraina izahay indraindray rehefa nisy isa na daty notratrarina, indrindra fa rehefa nisy asa fanampiny, toy ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Nisy roa taminay aza niasa andro aman’alina mihitsy indraindray. Nikarakara sakafo ho anay foana anefa ireo anabavy, na dia niasa vao maraina be aza izahay.”

Niezaka niambina koa ireo fianakaviana nanana fanontam-pirinty tao an-tranony. Ny vehivavy mpikarakara tokantrano no nanao an’izany fiambenana izany matetika, satria nandeha niasa ny ankamaroan’ny lehilahy nandritra ny andro. Hoy ny anabavy iray: “Nalefanay faran’izay mafy ny radio, mba tsy handrenesana ny feon’ny milina fanaovana pirinty. Raha vao nisy olona nankeo am-bavahady, dia tsindrianay ny bokotra nandrehitra jiro iray, mba hanairana an’ireo anadahy.”

Matetika no Vavolombelona na havana ihany no tonga nitsidika. Niezaka anefa ireo anabavy nanao izay hampandeha azy ireo haingana. Azonareo an-tsaina angamba fa tsy mora izany, satria tia mandray vahiny ireo anabavy raha ny tena izy. Eritrereto, ohatra, ny nanjo an’i Juana Montiel. Nisy mahabibo naniry teo an-tokotanin-dry zareo. Tonga naka mahabibo tany matetika ny mpiara-manompo, ka lasa toerana fihaonana mihitsy teo an-tokontanin-dry Juana. Hoy i Juana: “Tsy maintsy notapahinay mivady ilay mahabibo rehefa nasiana fanontam-pirinty tao an-tranonay. Tsy azonay nohazavaina tamin’ireo mpiara-manompo akory ny nahatonga anay tsy ho tia nandray vahiny tampoka teo. Fantatray anefa fa tsy maintsy narovana ny asa fanontam-pirinty.”

Natao batisa tamin’ny 1956 ny Anabavy Consuelo Beteta, izay efa nodimandry. Nasiana fanontam-pirinty koa tao an-tranony. Tsy azo najanona teo anoloan’ny tranony anefa ny fiaran’ireo rahalahy mpitatitra ny zavatra vita pirinty, satria nety ho nampiahiahy ny olona. Tany amin’ny tranon’ny rahalahy hafa àry no najanon’izy ireo ny fiarany. Nanontaniana momba ireny fotoana ireny ny Anabavy Beteta, talohan’ny nahafatesany. Finaritra erỳ izy nitantara hoe: “Nofonosina ireo gazety, ary nafatratra tao anaty gony efa natokana ho an’ny fiangonana tsirairay. Nilanja 15 kilao avy ireo gony. Nololohavinay sy ny vinantovaviko ireo gony, ary niampita tatatra tany ambadiky ny trano izahay. Tsy niahiahy ny manodidina nahita anay, satria nitovy tamin’ny gony filolohan’ny ankamaroan’ny vehivavy teo aminay ireo gony.”

Nankasitrahan’ireo rahalahy ireny anabavy nahatoky sy nahery fo ireny! “Tombontsoa tokoa ny niara-niasa tamin’izy ireo”, hoy i Guillermo Ponce, nisolo tena an’ireo rahalahy niara-niasa taminy. Mazava ho azy fa ohatra tsara notahafin’ny zanany ireny vehivavy kristianina ireny sy ny vadiny. Andeha àry isika hiresaka momba ny olana natrehin’ny ankizy nandritra ireny taona manan-tantara ireny.

Ankizy tsy nivadika sy mendri-pitokisana

Tena nahatoky toy ny ray aman-dreniny koa ireo ankizy nandray anjara tamin’ny fanontam-pirinty niafina sy ny fanaparitahana ireo zavatra vita pirinty. Hoy i Claudia Bendaña, izay nanan-janaka roa mbola tao an-trano tamin’izany fotoana izany: “Nasiana milina fanontam-pirinty tao amin’ny efitra iray tao an-tranonay, nandritra ny dimy volana. Te hanampy an’ireo anadahy ny ankizy, raha vao tonga avy nianatra. Mba hahavita inona moa izy ireo? Tsy noroahin’ireo anadahy anefa izy ireo, fa navelany hanambatra ireo pejin’ny Tilikambo Fiambenana vita kopia. Faly erỳ ny ankizy niaraka tamin’ireo anadahy tanora, izay nampirisika azy hitadidy andininy ao amin’ny Baiboly sy hiran’ilay Fanjakana!”

“Mba hihazonana ilay tsiambaratelo”, hoy ny Anabavy Bendaña, “dia nohazavainay mivady tamin’ny ankizy hoe: ‘Mandia fotoan-tsarotra isika izao ary ho an’i Jehovah ity asa ity, ka tena ilaina ny mitoetra ho mahatoky.’ Nolazainay azy ireo fa tsy tokony hiteny na amin’iza na amin’iza momba ny fanontam-pirinty izy ireo, na amin’ny havana izany na amin’ireo anadahy sy rahavavy kristianina. Soa ihany fa nahatoky sady nankatò ireo zanakay.”

Anisan’ny toerana voalohany nampiasaina hanaovana pirinty ny tranon’i Aura Martínez. Nanampy tamin’ny fandaharana ireo pejy vita pirinty ny zafikelin’i Martínez, ary nanambatra sy nanao azy ireny tao anaty fonosana. Lasa nifandray be tamin’ireo rahalahy niasa tao an-tranony koa ireo ankizy. Tsy niresaka momba izany asa izany tamin’ny olon-kafa mihitsy anefa izy ireo. Hoy i Eunice: “Nandeha nianatra izahay, ary niara-nilalao tamin’ny zanak’i Bendaña sy Eugarrios foana, saika isan’andro. Tsy fantatry ry zareo anefa hoe nisy fanontam-pirinty tao an-tranonay, ary izahay koa tsy nahafantatra hoe nisy tany amin-dry zareo. Taona maro tatỳ aoriana vao gaga izahay, nifanontany hoe: ‘Tena marina ve? Nisy fanontam-pirinty koa ve tany aminareo?’ Mpinamana be izahay hatramin’ny mbola kely, nefa tsy nifampiresaka momba izany mihitsy. Rehefa dinihina, dia fomba niarovan’i Jehovah ny asa ilay izy.”

Misy vokany tsara amin’ireny tanora ireny hatramin’izao izany zavatra niainany izany. Mpanampy amin’ny fanompoana sady mpanompo manontolo andro izao i Emerson Martínez. Hoy izy: “Nataoko ho modely ireo rahalahy tao amin’ny ireny toeram-piasana ireny. Vao 18 na 19 taona izy ireo, nefa nampianarin’izy ireo ahy fa sarobidy ny andraikitra eo anivon’ny fandaminana, na ny andraikitra kely indrindra aza, ary tena ilaina ny manao izay tsara indrindra mety ho vita rehefa miasa. Raha nisy iray hadinoko fotsiny mantsy, ohatra, tamin’ireo pejy nalahatra, dia efa ho banga ny fanazavana ho azon’ny olona iray. Niraikitra tsara tao an-tsaiko àry hoe tena mila manao izay tsara indrindra ho an’i Jehovah sy ireo rahalahintsika aho.”

I Elda María, zanak’i Edmundo sy Elda Sánchez, dia nanampy tamin’ny fanaterana an’ireo taratasy modely avy nanoratan’ny reniny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny zavatra hafa. Notateriny tamin’ny bisikiletany nankany an-tranon’ny Rahalahy Ponce izy ireny. Nataon’ny Anabavy Sánchez tsara fono ireo modely ary nataony tao anaty harona kely, izay vao nampitondrainy an-janany. “Mbola kely mihitsy aho”, hoy i Elda María, “dia efa nampianarin’ny ray aman-dreniko hankatò. Efa zatra nanaraka toromarika an-tsakany sy an-davany àry aho, nandritra ireny fotoam-pisedrana ireny.”

Fantatr’i Elda María ve anefa fa nisy loza niandry an’ireo rahalahy niandraikitra ny fanaovana pirinty, anisan’izany ny rainy? Hoy i Elda María: “Nilaza tamiko i Dada matetika rehefa handeha hoe tsy tokony hatahotra na halahelo aho raha sanatria voasambotra izy. Tsaroako anefa fa rehefa tara fodiana i Dada, dia niara-nivavaka imbetsaka ho azy izahay sy i Neny. Nisy iraky ny Fiarovam-pirenena koa matetika nanajanona fiara teo anoloan’ny tranonay sy nanara-maso anay. Nangoniko sy nafeniko haingana ny fitaovam-piasan’i Neny, rehefa nankany am-baravarana hijery izay olona nandondòna izy. Tena ankasitrahako ny ohatra navelan’ny ray aman-dreniko, sy ny nampiofanany ahy tsy hivadika amin’i Jehovah ary tsy hamadika ny mpiara-manompo.”

Mbola kely ireny tanora ireny dia efa tsy nivadika sy mendri-pitokisana, ka lasa mpanompo manontolo andro sy mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana izao ny ankamaroany. Porofon’ny fitahian’i Jehovah ny vahoakany ny fandrosoan’izy ireo. Tsy nisy mosarena ara-panahy mihitsy ny vahoakan’i Jehovah nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Niely hatrany koa ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nahita “tany tsara” teo anivon’ireo olona an’arivo nigadra tamin’ny andron’ny Sandinista. (Marka 4:8, 20) Tamin’ny fomba ahoana?

Voafafy tany am-ponja ny voan’ilay Fanjakana

Taorian’ny tolom-bahoaka notarihin’ny Sandinista, dia maro be ireo anisan’ny Tafi-panjakana sy mpanohitra ara-politika nogadraina. Nisy tribonaly manokana nitsarana azy ireo tamin’ny faramparan’ny taona 1979 ka hatramin’ny 1981. Voaheloka higadra 30 taona ny ankamaroan’ireo anisan’ny Tafi-panjakana, ary nalefa tany amin’ny Fonjan’i Modelo, fonja lehibe iray any Tipitapa, 11 kilaometatra eo ho eo any avaratratsinanan’i Managoà. Ho hitantsika araka ny fitantarana manaraka eto, fa maro ny olona tso-po nahita fahafahana ara-panahy tao amin’ireo fonja nahatsiravina sy tery kely.

Naharay taratasy avy tamin’ny rahalahy iray ny anti-panahy teto Managoà tamin’ny faramparan’ny taona 1979. Nogadraina ilay rahalahy satria niasa tao amin’ny tafika izy tamin’ny fotoana nitondran’i Somoza, talohan’ny nahitany ny fahamarinana. Mbola tsy tany amin’ny Fonjan’i Modelo izy tamin’izay. Nangataka boky sy gazety hozarainy tamin’ny mpigadra hafa izy tao amin’ny taratasiny. Tsy navela hifankahita tamin’ilay rahalahy anefa ny anti-panahy roa nanatitra ireo boky sy gazety tany am-ponja. Tsy kivy ilay rahalahy nigadra, fa nitory tamin’ireo mpigadra namany foana, ary nampianatra Baiboly ny sasany tamin’izy ireo.

Anisan’ireo nianatra Baiboly i Anastasio Mendoza, ary nanao fandrosoana ara-panahy haingana. “Tiako be ny zavatra nianarako”, hoy izy, “ka nanomboka niaraka tamin’ilay rahalahy nitory tamin’ny mpigadra hafa aho. Tsy nihaino anay ny sasany, nefa nisy koa nihaino. Tsy ela, dia nisy 12 teo ho eo ny isanay niara-nianatra, nandritra ny fakan-drivotra teny an-tokotany.” Natao batisa ny iray tamin’ireo 12 voalohany ireo, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana.

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1981, dia nalefa tany amin’ny Fonjan’i Modelo ireo mpianatra Baiboly vitsivitsy ireo, ary nanohy nitory ny vaovao tsara tany. Niampitapita mangingina tamin’ireo mpigadra koa ny boky ara-baiboly tamin’izay fotoana izay, ka nahita “tany tsara” hafa ny voan’ny fahamarinana.

Jereo ny ohatr’i José López sy ny fianakaviany, izay samy tsy Vavolombelona taloha. Efa enim-bolana tany am-ponja i José, no nahazo Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly ny vadiny. Vavolombelona hitany teny an-dalana no nahazoan’ilay ramatoa azy io, ary homeny an’i José no tena antony nandraisany azy. “Noheveriko fa bokin’ny Protestanta ilay izy, rehefa novakiko”, hoy i José. “Mbola tsy nahalala momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho. Tena nanohina ny foko ilay boky, ka naveriko novakina foana, ary nampindramiko an’ireo mpigadra 16 niray efitra tamiko. Tia azy io daholo ry zareo. Tena namelombelona ny namaky ilay boky. Nindrana azy io koa ny mpigadra tany amin’ny efitra hafa, ka nandehandeha tany amin’ny efitra figadrana rehetra ilay boky. Tonta be sahala amin’ireny karatra efa nampiasaina ela ireny ilay izy tamin’ny farany.”

Protestanta ny ankamaroan’ireo mpigadra niaraka tamin’i José, ary pasitera aza ny sasany. Niara-namaky Baiboly tamin’izy ireo i José. Diso fanantenana anefa izy rehefa nanontany azy ireo momba ny hevitry ny Genesisy 3:15. Nolazain’izy ireo fotsiny hoe mistery izy io. Nilaza tamin’i José anefa indray andro ny mpigadra iray nianatra Baiboly, hoe: “Ao amin’ilay bokinao iny ny valiny. Boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah iny. Afaka miara-mianatra isika raha tianao.” Nanaiky i José, ka nianarany tao amin’ilay boky nisy tantara ara-baiboly ny hevitry ny Genesisy 3:15. Nanomboka niaraka tamin’ireo mpigadra Vavolombelona izy taorian’izay.

Ny fitondran-tena tsaran’ireo mpigadra niavaka ireo, no tena nahatonga an’i José hiaraka tamin’izy ireo. “Hitako fa tena ratsy toetra izy ireo taloha”, hoy izy, “nefa lasa tsara fitondran-tena satria nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Mbola nahazo boky tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah foana koa ny vadin’i José nandritra izany fotoana izany. Vao mainka nampandroso ara-panahy an’i José ireny boky ireny, rehefa nalefan’ny vadiny tany aminy. Nanome an’i José faritra hitoriana tao am-pigadrana mihitsy ilay antoko-mpitory niaraka taminy, ka afaka nitety efitra izy mba hitory. Afaka nampindrana boky vitsivitsy an’ireo olona liana àry izy, ary nanasa azy ireo hanatrika ny fivoriana natao tao am-ponja nandritra ny fakan-drivotra.

Nahazo sakafo ara-panahy ireo mpigadra

Nihabetsaka foana ny mpigadra namaky ny boky aman-gazety sy nandroso ara-panahy tao amin’ny Fonjan’i Modelo, ka ny Fiangonana Managoà Atsinanana no nikarakara izay nilain’izy ireo ara-panahy. Nanao fandaharana ny fiangonana mba hitondran’ireo rahalahy sy anabavy boky sy gazety an-tsokosoko ho an’ireo mpigadra. Indray mandeha isam-bolana, na isaky ny roa volana, no azo notsidihina ireo mpigadra, ary ny olona efa nangatahany hitsidika azy ihany no nahazo niverina nitsidika azy ireo. Tsy afaka nahazo fitsidihana avy tamin’ny Vavolombelona daholo àry ireo olona liana. Tsy dia olana anefa izany, satria niara-nivory ireo mpigadra, ary nifampizara izay voarainy tamin’ireny fitsidihana ireny.

Nanampy tamin’ny fandaminana sy fitarihana ny asan’ireo antoko-mpitory nitombo isa tao amin’ny Fonjan’i Modelo ny anti-panahin’ny Fiangonana Managoà Atsinanana. Niezaka izy ireo hifandray tamin’ireo mpigadra, indrindra fa ireo nitari-dalana teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nohazavain’izy ireo ny fomba fitarihana fivoriana isan-kerinandro sy ny fandrindrana ny asa fitoriana ary ny fanaovana tatitra momba izany rehetra izany. Ireo rahalahy nitari-dalana ireo indray avy eo no nampita ny fanazavana tamin’ireo mpigadra hafa. Tena nila nalamina tsara ny asa, satria nihabetsaka ny mpianatra Baiboly tao am-ponja.

Nizara ho fitambaran-trano efatra ny Fonjan’i Modelo taloha, ka nahatratra 2 000 ny mpigadra tao amin’ny fitambaran-trano tsirairay. “Samy nahaleo tena ireo fitambaran-trano ireo”, hoy i Julio Núñez, iray amin’ireo anti-panahy mpitsidika ny fonja. “Natao tany amin’ny toerana fakan-drivotra isaky ny fitambaran-trano àry ny fivoriana isan-kerinandro, ka 80 teo ho eo ny mpanatrika tamin’ny fitambarany.”

Batisa tao anaty barìka

Nanao fandrosoana ireo vaovao ary nisy maromaro naniry hatao batisa, ka nofantarin’ireo anti-panahy mpitsidika hoe iza no nahafeno fepetra. Nampian’izy ireo avy eo ireo rahalahy nitari-dalana teo amin’ny lafiny ara-panahy, mba handamina ny hanaovana ny batisa tao am-ponja, ary natao nifanitsy tamin’ny andron’ny fivoriambe iray tany ivelan’ny fonja izany. Matetika no natao tamin’ny alina tany amin’ny efitra iray tao am-ponja ny lahateny, ary ny ampitson’iny no natao ny batisa, rehefa nandeha nandro ny mpigadra.

Natao batisa tany am-ponja i José López, tamin’ny Novambra 1982. Hoy izy: “Natao batisa tao anaty barìka fanariam-pako aho. Nodiovinay tsara ilay barìka, ary nasianay lambam-pandriana aloha tao anatiny vao nofenoinay rano. Nisy mpiambina tonga anefa rehefa nitangorona hanao ny batisa iny indrindra izahay. Hoy izy: ‘Iza no namela anareo hanao an’izao batisa izao?’ Nanazava ny rahalahy iray, anisan’ireo nitari-dalana teo amin’ny lafiny ara-panahy, fa tsy mila miera ny olona raha hanao izay takin’Andriamanitra. Nanaiky tsy sazoka àry ireo mpiambina, nefa te hahita ny fanaovana batisa koa izy ireo ka nanatrika teo. Nametrahana an’ireo fanontaniana roa natao ho an’ny mpilatsaka hatao batisa aho, ary naroboka tao anatin’ilay barìka.” Mpigadra 34, fara fahakeliny, no natao batisa tamin’izany fomba izany.

Nanao fandrosoana haingana be ny mpigadra sasany. Anisan’izany i Omar Espinoza izay voaheloka higadra 30 taona, ary namita ny 10 taona tamin’izany tao amin’ny Fonjan’i Modelo. Nafindrafindra foana ireo mpigadra, ka nisy Vavolombelona ny mpiray efitra tamin’i Omar, rehefa nigadra roa taona izy. Voamariny fa nisy mpigadra tonga niara-nianatra Baiboly tamin’io lehilahy io foana. Nahagaga an’i Omar izay hitany sy reny, ka mba nangataka hampianarina Baiboly koa izy.

Nanomboka nianatra i Omar, ka ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay no nianarany, ary nahavita toko iray isan’andro izy. Naniry hitory izy rehefa afaka 11 andro, ary nangataka hatao batisa rehefa nahavita ilay boky hatramin’ny farany. Nangataka azy hieritreritra kely anefa ireo rahalahy, ary nanolo-kevitra azy hianatra ilay boky faharoa hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Vao azon’izy ireo tao am-ponja io boky io. Vitan’i Omar tao anatin’ny iray volana mahery kely ilay izy. Niala tamin’ny sigara sy nanao fiovana hafa koa izy. Hita mihitsy hoe nanova ny fiainany ny fahamarinana ara-baiboly. Niaiky àry ireo rahalahy fa naniry hatao batisa tokoa i Omar, ka natao batisa tao anaty barìka izy, ny 2 Janoary 1983.

Baiko moana fampiasan’ny mpigadra

Nila nifampita vaovao ireo mpitory tany amin’ny fitambaran-trano samy hafa tao am-ponja. Tsy maintsy nampitaina, ohatra, ny hafatra avy tamin’ny anti-panahy mpitsidika, ary nangonina ny tatitra momba ny fanompoana. Mitantara ny nanaovana izany ny Rahalahy Mendoza, izay natao batisa tany am-ponja tamin’ny 1982:

“Nianatra baiko moana noforonin’ny mpigadra ny sasany taminay. Novinavinainay fotsiny ny fotoana hilentehan’ny masoandro rehefa tonga ny andron’ny Fahatsiarovana. Nifanome famantarana izahay avy eo, ka afaka nivavaka tamin’ny fotoana iray ihany ny mpigadra tany amin’ny fitambaran-trano samy hafa. Toy izany foana no nataonay nandritra ny taona maro. Nanampy anay tamin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana koa ny baiko moana. Rehefa tsy nanana ny lahatsoratra ianarana ireo rahalahy tany amin’ny fitambaran-trano hafa, dia natao baiko moana tamin’izy ireo ny lahatsoratra manontolo. Nisy rahalahy iray namantatra ny baiko moana, ary nanonona izany mba hosoratan’ny rahalahy iray hafa.” Ahoana anefa no nahatafidiran’ny sakafo ara-panahy tao am-ponja?

Sakafo ara-panahy ho an’ireo mpigadra

Nitsidika ny mpigadra tao amin’ny Fonjan’i Modelo foana ny anti-panahy sy ny fianakaviany ary ny mpitory hafa avy ao amin’ny Fiangonana Managoà Atsinanana. Nanatitra sakafo ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo rahalahiny izy ireo, nandritra ny folo taona latsaka kely, ary anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Mazava ho azy fa tsy maintsy nafenina ireo sakafo ara-panahy.

Nanafina ny gazety tao anatin’ny lavaka tamin’ny tehiny hazo ny anti-panahy iray. “Nanampy koa ireo ankizy”, hoy i Julio Núñez, “satria nahalana izy ireo vao nosavaina.” Vitan’ireo mpitsidika koa aza ny nampiditra tao am-ponja ny mofo sy divay nampiasaina tamin’ny Fahatsiarovana.

Samy nanana ny andro fandraisany mpitsidika ny fitambaran-trano tsirairay, ary matetika ireo olona nanana fahazoan-dalana no niresaka tamin’ny mpigadra nandritra ny andro manontolo teo amin’ny tokotany be. Nisy Vavolombelona vitsivitsy afaka nihaona tamin’ny rahalahiny sy anabaviny avy tany Managoà, ka nahazo sakafo ara-panahy. Nizara izay azony ireny mpigadra ireny avy eo, rehefa tonga tany amin’ny fitambaran-trano nisy azy.

Tsy nisy nohamaivanina na dia ireo hiran’ilay Fanjakana aza. Mitantara ny Rahalahy López hoe: “Iray ihany tao amin’ny fitambaran-trano nisy anay no afaka nifandray tamin’ny rahalahy mpitsidika, ka anjarany ny nianatra ny feon’ny hira vitsivitsy. Izy indray avy eo no nampianatra anay. Tsy nanana afa-tsy fihirana iray izahay, ka nanao famerenan-kira tsara foana, talohan’ny fivoriana.” Anisan’ireo mpigadra vitsivitsy nahazo fitsidihan’ny Vavolombelona ny Rahalahy Mendoza. Hoy izy: “I Carlos Ayala sy ny fianakaviany no nitsidika ahy. Hiran’ilay Fanjakana sivy, fara fahakeliny, no nampianarin’ny zanany mirahavavy ahy, ka nampianariko ny namako.” Anisan’ny nianatra hira tamin’ny mpigadra namany kosa ny Rahalahy López. Hoy izy: “Finaritra erỳ aho rehefa nanomboka nivory tany ivelan’ny fonja. Gaga ihany anefa aho hoe nitovy mihitsy ny feon’ny hira nataonay tany am-ponja sy ny natao tany am-pivoriana.”

Natanjaka ara-panahy foana tao am-ponja

Inona no zavatra tsy maintsy niaretan’ireo rahalahy sy olona liana tao am-ponja? Ary inona no nanatanjaka azy ireo ara-panahy foana? Hoy ny Rahalahy Mendoza: “Kely ny sakafo tao am-ponja, ary nodarohana matetika ny mpigadra rehetra. Nasain’ny mpiambina nihohoka tamin’ny tany izahay rehetra indraindray, ary nanapoaka basy nanodidina anay izy ireo. Natao hampihorohoroana anay daholo izany. Nosazina izahay rehetra, rehefa nisy mpigadra sy mpiambina niady. Nasaina niboridana teny amin’ny masoandro nigaingaina teny an-tokotany be izahay. Nohararaotinay Vavolombelona mba hifampaherezana sy hifampiononana anefa ireny fotoana ireny. Niresaka andininy ara-baiboly izahay, ary nifampizara izay hevitra nianaranay tamin’ny fianarana samirery. Nanampy anay hiray saina sy hatanjaka ireny zavatra nanjo anay ireny.”

Maro ny Vavolombelona sy olona liana nanararaotra ny fotoana nalalaka be, ka nahavaky ny Baiboly manontolo inefatra na indimy. Nahazatra azy ireo ny namerimberina nandalina ny boky na gazety ara-baiboly rehetra azony. Tsaroan’ny Rahalahy Mendoza fa tena nahafinaritra azy ny Diary. Hoy izy: “Nodinihinay daholo ny tantara rehetra avy any tamin’ny tany samy hafa sy ireo sarintany. Nampitahainay koa isan-taona ny fitomboan’ny isan’ny fiangonana sy ireo vaovao natao batisa ary ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tany amin’ny tany tsirairay. Nahafinaritra anay erỳ izany!”

Vetivety àry ireo mpitory vaovao dia ampy fahalalana tsara momba ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany. Nanjary mpampianatra sady mpitory nazoto koa izy ireo. Nahatratra 43, ohatra, ny isan’ny mpitory tao amin’ny Fonjan’i Modelo, tamin’ny Febroary 1986. Nitarika fampianarana Baiboly 80 izy ireo, ary 83 teo ho eo ny mpanatrika ny fivoriana isan-kerinandro.

Efa afaka teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, nefa mbola nahazo fahafahana hafa koa taoriana kely. Nanapa-kevitra hanome famotsoran-keloka ho an’ny mpigadra politika rehetra mantsy ny fanjakana. Ny 17 Martsa 1989 no navoaka ny fonja ireo mpitory 30 farany tao amin’ny Fonjan’i Modelo. Nataon’ny Fiangonana Managoà Atsinanana izay hihaonan’ireo rahalahy vao navoaka ny fonja ireo tamin’ny anti-panahy tany amin’ny toerana nifindrany avy. Nandray tsara an’ireo rahalahiny vaovao ireny anti-panahy ireny. Maro tamin’ireo rahalahy mpigadra fahiny no lasa anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpisava lalana.

Tsy nampitsahatra ny fitoriana ny fameperana

Nitombo be foana ny isan’ny mpitory teto Nikaragoà, nandritra ny fotoan’ny fameperana, na teo aza ny olana sy loza. Nisy fiangonana niforona aza tany amin’ny toerana sasany ary vaovao daholo ireo olona teo anivony. Ohatra amin’izany ny Fiangonana La Reforma. Nitory isan’andro tany amin’ireo tanàna ambanivohitra teo anelanelan’i Masaya sy Granada i Antonio Alemán, mpisava lalana manokana, sy Adela vadiny. Anisan’ny tanàna nitorian’izy ireo i La Reforma. Efa tamin’ny 1979 no niara-nianatra tamin’i Rosalío López ry Alemán. Mbola tanora i Rosalío tamin’izay, ary maty vao haingana ny vadiny. Nipetraka tany amin’ny havam-badiny i Rosalío, ary noresahiny tamin’izy ireo izay zavatra nianarany. Niresaka tamin’ny rafozam-baviny izy aloha, ary niresahany tsirairay avy eo ny zaodahiny sy zaobaviny. Tsy ela dia nahatratra 22 ny havany nitanjozotra namonjy fivoriana tany Masaya, enina kilaometatra miala avy eo amin-dry zareo.

Niteny tamin’i Rosalío ny iray tamin’ireo havam-badiny indray andro hoe: “Nianarantsika tany am-pivoriana fa mitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa isika tsy manao an’izany.”

“Eny àry”, hoy i Rosalío, “fa hitory daholo isika amin’ny asabotsy.” Ary nitory tokoa ry zareo! Niaraka teo am-baravarana izy 22 ary i Rosalío no niteny! Nitsikitsiky erỳ i Rosalío nilaza ilay vaovao, rehefa tonga nampianatra i Antonio: “Nandeha nitory daholo izahay tamin’ity herinandro ity!” Nahafinaritra an’i Antonio ny fahazotoan’ireo mpianany, kanefa nampirisihiny ireo mpivady tanora mba hampifanaraka ny fiainany tamin’ny fitsipiky ny Baiboly aloha.

Natao batisa tamin’ny Desambra 1979 i Rosalío sy Húber López, zaodahiny. Izy ireo no voalohany natao batisa, ary nanaraka nisesisesy taoriana kelin’izay ny havany hafa. Niforona ny Fiangonana La Reforma, telo taona monja tatỳ aoriana. Telopolo ny isan’ny mpitory tamin’ny voalohany, ary havam-badin’i Rosalío izy rehetra! Voatendry ho anti-panahy i Húber sy Ramón mirahalahy ary Rosalío, tatỳ aoriana. Nisy mpisava lalana 54 tao amin’io fiangonana io tamin’ny taona 1986.—Jereo ny faritra voafefy, pejy 99-102.

Nazoto ireo mpitory tao amin’ny Fiangonana La Reforma, ka nisy fiangonana enina hafa koa niforona teny amin’ireo tanàna manodidina. Tadidio anefa fa mbola nanara-maso an’ireo rahalahy ny manam-pahefana, sady sorena tamin’ny fahazotoan’izy ireo. “Nanelingelina anay foana ireo miaramila”, hoy i Húber López, “kanefa tsy nampitsahatra ny fitorianay izany.” Vao mainka aza nitombo ny asa fitoriana nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Fa nahoana? Satria betsaka ny rahalahy very asa, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra na mpanampy.

Notahin’i Jehovah ny fiezahan’izy ireo. Nisy mpitory 4 477 teto Nikaragoà tamin’ny 1982, nefa tafakatra ho 7 894 izany tamin’ny 1990. Izany hoe 76 isan-jato ny fitomboana, nandritra ireo valo taona nisian’ny fameperana sy fanenjehana!

Nofoanana ny fameperana

Niova ny governemanta teto Nikaragoà tamin’ny Febroary 1990, taorian’ny fifidianana natrehin’ny mpanara-maso iraisam-pirenena. Tsy ela àry dia nesorina ny fameperana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy noterana hanao miaramila intsony koa ny olona, ary nofoanana ny komitim-piarovana. Mailo ihany ireo rahalahy, nefa tsy natahotra ny fanaraha-mason’ny manodidina intsony. Lasa mpandrindra ny komity niandraikitra ny asa teto Nikaragoà i Ian Hunter, ny volana Septambra tamin’io taona io. Anisan’ny Komitin’ny Sampana tany Goatemalà izy taloha.

Tsy nanana birao na fitaovana momba ny birao ny komity niandraikitra ny asa teto Nikaragoà, nandritra ny valo taona talohan’io. Tsy nanenenan’ny Rahalahy Hunter àry ny nitondra ny milina fanoratana nampiasainy tany amin’ny sampan’i Goatemalà! Nanome fitaovana maro momba ny birao ny Rahalahy Julio Bendaña, mba hampiasain’ireo rahalahy niasa mafy ireo.

Tany lavidavitra an’i Managoà no nisy trano novidina natao biraon’ny sampana. Mbola tsy nahazatra ny maro tamin’ireo rahalahy ny fandaharam-potoanan’ny Betela, satria izy ireo zatra niasa niafina tany amin’ny toerana samy hafa, sady tsy nisy ora voafetra. Nanaiky tsara ny fampiofanana anefa izy ireo, ary nanao fiovana. Mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ny ankamaroan’ireny tovolahy ireny, ary misy manao fanompoana manontolo andro samy hafa.

Nisy rahalahy avy tany an-tany hafa koa nalefa teto Nikaragoà mba hanampy tamin’ny asan’ny sampana. Naverina teto, ohatra, i Kenneth sy Sharan Brian, tamin’ny faramparan’ny taona 1990, rehefa avy tany Honduras. Tonga avy tany Costa Rica, tamin’ny Janoary 1991, i Juan sy Rebecca Reyes, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada any Meksika. Nanaraka azy ireo avy eo i Arnaldo Chávez, izay nahazo diplaoma tao amin’ny kilasy voalohany tamin’ny sekolin’i Meksika koa, niaraka tamin’i María vadiny. Tonga i Lothar sy Carmen Mihank, roa taona taorian’izay. Avy tany Panama izy ireo ary anisan’ny Komitin’ny Sampana tany i Lothar. Notendrena hiasa teto amin’ilay biraon’ny sampana vaovao ny ankamaroan’izy ireo, ka nanampy tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny asa hifanaraka amin’ny fomba fiasan’ny fandaminana. Misy 37 izao ny mpianakavin’ny Betelan’i Nikaragoà, ary avy amin’ny firenena samihafa izy ireo.

Nosoloana Komitin’ny Sampana ny komity niandraikitra ny asa, tamin’ny Febroary 1991, ary nisokatra tamin’ny fomba ofisialy indray ny sampan’i Nikaragoà ny 1 Mey 1991. Tsara fototra amin’izay àry ny asa, ka azo antoka fa hisy ny fitomboana ary nahatalanjona tokoa izany fitomboana izany! Mpianatra vaovao 4 026 no natao batisa teo anelanelan’ny 1990 sy 1995, izany hoe nisy fitomboana 51 isan-jato. Nilaina maika àry ny toeram-pivoriana mety tsara. Tsaroanareo angamba anefa, fa nisy trano 35 nalain’ny vahoaka tamin’ny 1982.

Fangatahana ny hamerenana ireo trano

Tsy nanaiky ho resy fotsiny akory ireo rahalahy, rehefa nalain’ny olona ireo Efitrano Fanjakana. Teo no ho eo ihany izy ireo dia nitory tany amin’ny fanjakana, ary nampiasain’izy ireo mba hiarovan-tena tsara ny Lalàm-panorenan’i Nikaragoà. Nanao zavatra ara-dalàna ireo rahalahy, nefa tsy nisy niraharaha ny fitarainany. Efa nanoratra tany amin’ny filoham-pirenena mihitsy aza izy ireo tamin’ny 1985, mba hangatahana ny hanekena ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna sy hamerenana amin’izy ireo ny trano rehetra. Efa imbetsaka koa izy ireo no nangataka fihaonana tamin’ny minisitry ny atitany. Tsy nisy vokany daholo anefa izany ezaka izany.

Nandefa fitarainana haingana tany amin’ny minisitry ny atitany vaovao indray ireo rahalahy, raha vao nandray fahefana ny governemanta vaovao, tamin’ny Aprily 1990. Nangataka ny hanekena ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna indray izy ireo. Faly be ireo rahalahy ary nisaotra an’i Jehovah, rehefa nekena ny fangatahan’izy ireo, efa-bolana monja tatỳ aoriana! Neken’ny governemanta nikaragoanina ho anisan’ny fikambanana ara-pivavahana iraisam-pirenena ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’izay. Afaka niasa malalaka koa izy io, ary nampitovina tamin’ireo fikambanana mpanao asa soa, ka tsy nitakiana hetra. Tsy mora anefa ny nahazoana indray an’ireo Efitrano Fanjakana, satria efa “nomena” an’ireo mpanohana ny fitondrana teo aloha ny sasany.

Nitaraina tamin’ny Komitim-pirenena Mpanadihady Momba ny Fananana Nalaina ireo rahalahy, ary nangataka ny hamerenana ny trano rehetra. Raharaha sarotra sady nahakivy ilay izy, satria koa angamba betsaka loatra ny olona sy fikambanana nametraka fitarainana nitovy tamin’izany. Niezaka mafy ireo rahalahy nandritra ny herintaona, ka nisy trano iray azo, tamin’ny Janoary 1991. Nankany amin’ireo olona nipetraka tany amin’ireo Efitrano Fanjakana koa ireo rahalahy, mba hifanaraka tamin’izy ireo. Nihevitra anefa ny ankamaroan’ireny olona ireny hoe “tombontsoa” ara-dalàna azony tamin’ny tolom-bahoaka ireo trano.

Azo koa ny tranon’ny sampana tamin’ny faramparan’ny taona 1991, nefa tsy maintsy nitadiavana trano hipetrahany ilay fianakaviana nipetraka tao. Azon’ireo rahalahy tsikelikely ny 30 tamin’ireo trano 35 rehefa nandeha ny fotoana. Nampanantena azy ireo koa ny fanjakana fa handoa vola ho fanonerana an’ireo trano tsy voaverina.

Fiatrehana loza araka ny natiora

Ankoatra ny horohoron-tany noresahina tany am-piandohan’ity tatitra ity, dia nitondra fahavoazana teto Nikaragoà koa ny volkano sy ny rivo-doza. Ny volkano Cerro Negro no volkano velona indrindra eto. In-12 nipoaka izy io, nanomboka tamin’ny 1914, ary nanototra tanimboly midadasika be ny lavenona avy taminy. Mitantara ny fitrangan’izany i Elfriede Urban, misionera tany León tamin’ny fotoana nipoahan’ireo volkano tamin’ny 1968 sy 1971: “Nisy fasika sy lavenona mainty nirotsaka teo an-tanàna nandritra ny tapa-bolana. Natahorana hampihotsaka ny tafo izy ireny ka tsy maintsy nesorina. Rariny raha natahotra ny olona satria efa tototry ny lavenona toy izany ny tanànan’i León fahiny, taonjato maro talohan’izay. Nitondra fasika madinika hatraiza hatraiza ny rivotra. Feno fasika daholo ny kiraro, ny akanjo, ny fandriana, ny sakafo, ary tany anaty boky koa! Mbola nanatrika fivoriana sy nanao fanompoana foana anefa ireo rahalahy.”

Nahatonga tondra-drano nanerana an’i Amerika Afovoany ny Rivo-doza Mitch, tamin’ny Oktobra 1998. Izy iny no nantsoin’ny manam-pahaizana hoe “rivo-doza nahafaty olona be indrindra tatỳ amin’ny Ila Bolantany Andrefana, tao anatin’ny roanjato taona farany.” Milaza ny Rakipahalalana Encarta (anglisy), fa “nahafaty olona 3 000 na 4 000 ny Rivo-doza Mitch teto Nikaragoà, ary nanimba zavatra be dia be. Nisy oram-be nivatravatra ka feno rano ny vava volkano Casitas. Nihotsaka àry ny tany nirefy 80 kilaometatra toradroa, ka maro ny tanàna rava.” Nisy 2 000 mahery ny isan’ny maty tamin’izany, araka ny tombantombana natao vao haingana.

Niezaka nandamina fanampiana be ny Vavolombelona teto Nikaragoà sy ny rahalahy tany amin’ny faritra hafa nandalovan’ilay rivo-doza. Nisy Vavolombelona tany amin’ny tanàna sasany, nanolo-tena hiaraka handeha bisikileta hankany amin’ny toerana tsy tongan’ny fiara, mba hamantatra izay nanjo ireo rahalahy, ary nanatitra sakafo sy zavatra hafa. Izy ireo matetika no voalohany nitondra fanampiana, ka faly be ireo rahalahiny tsy nanan-kialofana. Nandefa haingana sakafo sy fitafiana nilanja 72 taonina ireo Vavolombelona tany Costa Rica sy Panama. Rehefa voakarakara izay zavatra nilaina maika, dia nanohy niasa nandritra ny volana maro ireo mpiasa an-tsitrapo. Nanamboatra ny simba tamin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo ary nanorina trano vaovao ho an’ireo rahalahy.

Ilay Nikaragoà “faharoa”

Nozarain’ny governemanta ho faritany mizaka tena roa ny ilany atsinanan’i Nikaragoà, tamin’ny 1987. Nantsoina hoe Zelaya izy ireo taloha, ary izao kosa izy ireo dia antsoina hoe ny Faritany Mizaka Tenan’i Atlantika Avaratra sy ny Faritany Mizaka Tenan’i Atlantika Atsimo. Antsasany latsaka kely amin’ny velaran-tanin’i Nikaragoà ny fitambaran’ireo faritany roa ireo, nefa 10 isan-jato monja amin’ny mponina no mipetraka any.

Manomboka eo amin’ny tehezan-tendrombohitra any atsinanan’ny afovoan-tany ireo faritany mizaka tena roa ireo, ary mipaka hatrany amin’ireo farihy sy honahona any amin’ny Morontsirak’i Mosquito. Misy volamena sy volafotsy any. Samihafa koa ny loko sy endriky ny zavatra hita any. Misy ala tropikaly any, hazo kesika, palmie, ary renirano sy ony maro miolikolika mivarina any amin’ny Ranomasina Karaiba. Nisy tanàna sy vohitra niforona tsikelikely tany, nandritra ny taona maro, ary metisy sy Miskito ary tompon-tany hafa koa ny ankamaroan’ny mponina.

Toy ny hoe tany hafa mihitsy i Managoà renivohitra, amin’ny ankamaroan’ireo mponina Miskito, Sumo, Rama, ary Kreôla. Mbola tsy misy arabe tokoa mampifandray ny ilany atsinanana sy ny ilany andrefan’i Nikaragoà. Espaniola no fiteny any amin’iny faritr’i Atlantika iny, kanefa ny miskito na kreôla na teny hafa eo an-toerana no ampiasain’ny ankamaroan’ny olona. Milaza ho protestanta moravianina ny ankamaroan’ny olona, fa tsy katolika toy ny olona any amin’ny faritr’i Pasifika. Saika tsy misy itoviana mihitsy àry ny ilany atsinanana sy ny ilany andrefan’i Nikaragoà. Samy hafa tanteraka ny tany, fiteny, tantara, kolontsaina, ary ny fivavahana. Ahoana no mety ho fandraisan’ny olona ny vaovao tsara, any amin’io Nikaragoà “faharoa” io?

Miely hatrany lavitra be ny vaovao tsara

Nisy misionera Vavolombelona nandeha nisafo ny faritra atsinanana, tamin’ny 1946, ary nametraka boky sy gazety. Nitsidika an’ireo tanàna kely any amoron-tsiraka i Sydney Porter, mpiandraikitra ny faritra sy i Phyllis vadiny, tamin’ireo taona 1950. Notsidihin’izy ireo tamin’izany ireto tanàna amoron-tsiraka ireto: Bluefields, Puerto Cabezas, Corn Islands, sy ireo tanàna misy toeram-pitrandrahana toa an’i Rosita, Bonanza, Siuna. Mitantara i Sydney hoe: “Nahapetraka gazety 1 000 mahery sy boky 100 mahery avy izahay, teny an-dalana ho any amin’ireo tanàna misy toeram-pitrandrahana. Tia mamaky boky ny olona any.” Tsy ela dia nisy antoko-mpitory niforona tany amin’ny ankamaroan’ireo tanàna ireo, ary lasa fiangonana tsikelikely ireo antoko-mpitory, nanomboka tamin’ireo taona 1970.

Zara raha nisy nitory anefa tany amin’ny faritra sasany tamin’iny ilany atsinanan’i Nikaragoà iny, nandritra ny taona maro. Sarotra be ny mitory any, satria lavitra ireo tanàna, tsy misy ny arabe, ary avy be foana ny orana mandritra ny valo volana mahery ao anatin’ny taona. Azo noresena anefa izany, araka ny noporofoin’ireo mpisava lalana maro mazoto sy mahery fo. Noho ny fahavononan’izy ireo sy ny asa mafy nataony, dia misy fiangonana fito sy antoko-mpitory sivy izao any amin’iny ilany atsinanana iny, ary 400 eo ho eo ny isan’ny mpitory.

Tsy mora ny fiainan’ireo Vavolombelona any. Diniho ny ohatry ny rahalahy iray 22 taona. Mamakivaky tendrombohitra mandritra ny adiny valo eo ho eo izy, rehefa handeha hivory any Rosita. Any no misy ny fiangonana akaiky indrindra ary mankany intelo isan-kerinandro izy. Mpanampy amin’ny fanompoana sady mpisava lalana maharitra izy. Izy irery no Vavolombelona vita batisa ao amin’ny fianakaviany, ka mandeha irery izy rehefa mitory. Be tendrombohitra ilay faritra, ary amin’ny ankapobeny dia lalana adiny roa no manelanelana an’ireo trano. Tsy tafody izy raha tratra hariva, ka tsy maintsy matory ao amin’ny trano iray, ary manohy ny fitoriana any amin’ny faritra hafa indray ny ampitso. Maty vao haingana ny dadany, ka io rahalahy tanora io no tsy maintsy mamelona ny fianakaviany, satria izy no lahimatoa. Mbola afaka manao ny asan’ny mpisava lalana anefa izy. Lasa mpitory tsy vita batisa izao ny rahalahiny iray, ary miaraka aminy manao fanompoana.

Manao ezaka manokana hitoriana isan-taona, any amin’iny faritra midadasika any atsinanana iny, ny sampana, nanomboka tamin’ny 1994. Misy mpisava lalana manokana tsy maharitra fidina amin’ireo mpisava lalana maharitra be zotom-po. Irahina hitory mandritra ny efa-bolana any amin’ireo tanàna sy vohitra lavitra be any amin’iny morontsiraka atsinanana iny izy ireo, amin’ny fotoanan’ny main-tany. Ireto avy no tsy maintsy atrehin’ireny mpisava lalana mahery fo ireny: hafanana migaingaina, lalana mikitoantoana, bibilava, bibidia, tsy fahitana rano madio tsara, ary areti-mifindra. Ny zava-kendren’izy ireo dia ny hanatontosa tsara ny fitoriana sy hitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona liana ary hanao fivoriana kristianina, anisan’izany ny Fahatsiarovana. Ny vokatry ny asan’izy ireo koa no hahalalan’ny biraon’ny sampana izay toerana tokony handefasana mpisava lalana manokana. Nisy vokany io fandaharana io, ka rehefa nandeha ny taona dia nisy fiangonana sy antoko-mpitory niforona tany Waspam sy San Carlos, tanàna manamorona ny Renirano Coco any avaratratsinanana.

Maro ny metisy miteny espaniola mirohotra mankany amin’iny ilany atsinanan’i Nikaragoà iny, kanefa mbola ny Miskito tompon-tany ihany no tena betsaka. Misy boky ara-baiboly vitsivitsy amin’ny teny miskito, ary maro koa ny mpisava lalana nianatra an’io fiteny io. Nanjary liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana àry ireo olona tia mandray vahiny sy tia Baiboly any atsinanana ireo.

Misy tanàna kely atao hoe Kwiwitingni, ohatra, any akaikin’ny Renirano Likus any amin’ny morontsiraka atsinanana, ary Miskito ny mponina ao. Misy trano 46 ao, ary tsy nisy nipetraka ny 6 nandritra ny fandaharam-pitorian’ny mpisava lalana tamin’ny 2001. Nitarika fampianarana Baiboly 40 tao amin’io tanàna io ireo mpisava lalana manokana, tamin’io taona io, izany hoe fampianarana iray isan-trano! Nisy mpianatra telo naniry hatao batisa, rehefa afaka iray volana monja. Mpanampy ny pasiteran’ny Fiangonana Moravianina teo an-tanàna ny iray tamin’izy ireo. Nisy mpivady roa koa naniry ho mpitory, kanefa mbola samy tsy vita soratra izy ireo. Nohazavain’ireo mpisava lalana tamin’izy ireo tamin-katsaram-panahy àry ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanambadiana sy ny batisa. Eritrereto ny hafalian’ireo mpisava lalana, rehefa nampideradera ny sora-piankohonany ireo mpivady ireo, talohan’ny handaozan’ireo mpisava lalana an’ilay tanàna!

Nanao dia 19 kilaometatra foana nankany Kwiwitingni ny mpitory tao Waspam, nanomboka tamin’iny ezaka manokana iny, mba hanampy ireo olona liana handroso ara-panahy sy hampiofana azy ireo amin’ny fanompoana.

Niresaka tamin’ny Amerikanina maro mpanao asa fanasoavana ireo mpisava lalana manokana nitory tany amin’ny tanàna miskito, amoron’ny Renirano Coco. Nametrahan’ireo mpisava lalana gazety maro tamin’ny teny anglisy izy ireo. Nanorina sekoly kely tany amin’ny tanànan’i Francia Sirpi, any akaikin’ny Renirano Wawa ny Fiangonana Batista. Nilaza tamin’ny mpisava lalana iray ny sefon’ireo mpanao trano hoe: “Tena tiako ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly no alehanareo atỳ. Tiako raha mba manohana izany asa izany ny fivavahako.”

Nilaina ny rahalahy za-draharaha

Azo isaina amin’ny rantsantanana ny mpanatrika ny fivoriana natrehin’ny 60 isan-jaton’ny Vavolombelona teto Nikaragoà, nandritra ny fotoanan’ny fameperana. Vitsy kely koa ny boky sy gazety nentin’izy ireo nitory. Natao isaky ny fiangonana ny fandaharan’ny fivoriambe sady nohafohezina. Rahalahy matotra sady raim-pianakaviana no nisolo toerana ny mpiandraikitra mpitety faritany, nefa tsy afaka nanao izany manontolo andro izy ireo. Maro koa ny Vavolombelona tranainy nifindra monina, nandritra ireny fotoanan’ny korontana ireny. Tena nilaina àry ny anti-panahy sy mpisava lalana za-draharaha, rehefa nekena ho ara-dalàna indray ny asa.

Tsapan’ireo anti-panahy fa nila fampiofanana momba ny fomba fiasan’ny fandaminana izy ireo. Nila tari-dalana koa ny mpitory, anisan’izany ny fomba fametrahana boky sy gazety. Notendren’ny Filan-kevi-pitantanana ho eto Nikaragoà àry ny rahalahy vitsivitsy, izay nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany Salvadaoro sy Meksika ary Porto Rico. Iray tamin’ireny i Pedro Henríquez, nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana voalohany natao tany Salvadaoro. Notendrena ho mpiandraikitra ny faritra teto izy, nanomboka tamin’ny 1993. Nisy mpiandraikitra ny faritra efa za-draharaha 11 avy tany Meksika koa ‘niampita’ nankatỳ amin’ity Makedonia maoderina ity, mba hanampy amin’ny asa.—Asa. 16:9.

Nandefasana misionera 58 nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada koa i Nikaragoà, nandritra ireo sivy taona farany. Mipetraka any amin’ny trano enina manerana an’i Nikaragoà izy ireo. Matotra izy ireo, ka anisan’ny nanatsara kokoa ny fahasalamana ara-panahin’ny fiangonana izany. Nanampy tanora maro ho tia sy hanao ho tanjona ny fanompoana manontolo andro koa izy ireo.

Nisy mpitory tonga teto nandritra ireo taona 1960 sy 1970 mba hanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa, ary nilaza izy ireo fa paradisa kelin’ny mpitory i Nikaragoà. Mbola marina izany hatramin’izao. Hoy ny rahalahy iray ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, eto amin’ny sampana: “Mbola afaka mametra ny isan’ny fampianarana Baiboly hotarihiny ny mpitory sy mpisava lalana eto Nikaragoà, satria be dia be ny olona liana.” Tsy mahagaga àry raha nisy olona maro, te hanampy any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, nangataka hanompo eto Nikaragoà, rehefa nieritreritra tsara momba izany. Mpisava lalana 289 avy any amin’ny tany 19 no nifindra teto, hatramin’ny Aprily 2002. Faly ny Vavolombelona eto Nikaragoà, mahazo mpijinja maro be toy izany!—Matio 9:37, 38.

Fivoriambe tena nahafaly

Tamin’ny 1978 no nisy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra farany natao teto, talohan’ny fameperana. Alao sary an-tsaina àry ny hafalian’ireo rahalahy, rehefa nasaina hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao teto Managoà ny volana Desambra 1999! Nampirisihina ny fianakaviana mba hanangona izay vola nilaina tamin’ny saran-dalana sy ny fandaniana hafa. Nitady hevitra hahazoam-bola ho amin’izany ny fianakaviana Vavolombelona sasany. Malaza ny fiompiana kisoa eto Nikaragoà, ka maro no mivelona amin’izany. Mividy kisoa izy ireo ary ompiany sy amidiny izany avy eo. Noho izany fiomanana tsara izany sy ny fahatapahan-kevitr’izy ireo, dia Vavolombelona sy olona liana 28 356 avy tany atsinanana sy andrefana no nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, “Teny Ara-paminanian’Andriamanitra.” Natao tao amin’ny kianja filalaovam-baolina eto Managoà izy io, nanomboka ny 24 Desambra 1999.

Faly be ireo mpanatrika nahita olona 784 natao batisa ny asabotsy. Izany no betsaka indrindra teto hatramin’izay! Tonga nanatrika koa ireo misionera nanompo teto taloha, ary nitantara zavatra nampahery tamin’ireo mpanatrika. Nampiray saina ny rehetra iny fivoriambe iny, satria nanosika ny olona samy hafa fiteny sy fiaviana ho tapa-kevitra kokoa handroso amin’ny fampiasana ny fiteny madion’ny fahamarinana ara-baiboly, mba ‘hanompoana an’i Jehovah amin’ny firaisan-kina.’—Zef. 3:9.

Fiarovana ny zo tsy handray ra

Telo ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) eto Nikaragoà, ary ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, eto amin’ny sampana no mandrindra ny asan’izy ireo. Manampy ny Vavolombelona marary ireo komity, rehefa misy raharaha momba ny fampidiran-dra. Iezahan’izy ireo koa anefa ny mampahafantatra ny dokotera sy ny mpianatra ho dokotera, ny fomba fitsaboana tsy ampiasana ra eken’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Izany indrindra no antony anaovan’ny KMH lahateny sy hampisehoany vidéo ho an’ny dokotera sy ny mpianatra ho dokotera, ary nisy tamin’ireny olona ireny nankasitraka an’izany. Nihamaro mihitsy aza ny dokotera mpandidy sy mpanao fanatoranana vonona hiara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manaja ny hevitr’izy ireo miorina amin’ny Baiboly momba ny fampidiran-dra.

Tapa-kevitra ny handroso

Miharihary amin’ny tantaran’ny fahamarinana teto Nikaragoà fa tsy nahasakana ny fielezan’ny vaovao tsara ny loza, na araka ny natiora na tsia. I Jehovah tokoa no nanao ny “kely” ho tonga “arivo.” (Isaia 60:22) Araka ny tatitra voaray tamin’ny 1943, dia telo monja ireo mpitory teto. Nahatratra 4 477 anefa ny isan’ny mpitory, 40 taona tatỳ aoriana. Tafakatra ho 7 894 izany tamin’ny 1990, rehefa nahazo niverina teto ny misionera! Mbola nirotsaka foana ny fitahian’i Jehovah nandritra ireo taona 1990, ka nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny mpitory.

Mazava ho azy fa Efitrano Fanjakana maro kokoa no nilaina maika, vokatr’izany fitomboana be izany. Nanao fandaharam-panorenana Efitrano be dia be àry ny sampana. Efitrano Fanjakana 120 eo ho eo no haorina, ankoatra ny tranon’ny sampana vaovao any Ticuantepe, 11 kilaometatra any atsimon’i Managoà. Tokony ho vita amin’ny Aprily 2003 ilay tranon’ny sampana.

Nihatafarina ny toe-karena eto Nikaragoà tao anatin’ny taona vitsivitsy, indrindra fa eto Managoà. Manjary misy asa sy fianarana ary fialam-boly isan-karazany eto, ary misy trano aorina etsy sy eroa. Lasa betsaka koa ny hotely maoderina sy ny fivarotan-dasantsy ary fivarotana feno entana isan-karazany sy haitraitran’ny tany tandrefana.

Mahatonga olana hafa indray ho an’ny Kristianina izany fiainana izany sy ny fakam-panahy aterany. Hoy ny anti-panahy tranainy iray: “Niova tampoka ny fiainana. Toy ny hoe misy ankizy kely tsy nihinana afa-tsy vary sy tsaramaso hatramin’izay, nefa omena vilia feno vatomamy sady itenenana hoe ‘Mitandrema an!’ Hainay tokoa ny manompo an’i Jehovah rehefa misy fanenjehana, saingy tsy hita maso toy izany intsony izao ny fahavalo, ka sarotra kokoa ny toe-javatra.”

Mbola misy vokany tsara foana anefa, ny tsy fivadihana sy zotom-po ary herim-pon’ireo vahoakan’i Jehovah nandritra ny taona maro nisian’ny fameperana. Maro tamin’ireo ankizy nobeazina tamin’ireny fotoana ireny no lasa anti-panahy sy mpisava lalana ary mpiasa an-tsitrapo eto amin’ny Betela. Misy faritra 17 sy fiangonana 295 ary antoko-mpitory 31 izao eto Nikaragoà. Nisy tampon’isa vaovao tamin’ny Aogositra 2002 satria nahatratra 16 676 ny isan’ny mpitory, nefa 66 751 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana!

Mivavaka àry isika mba hitombo ny isan’ny olona mahafantatra an’i Jehovah eto amin’ity firenena ity, alohan’ny hifaranan’ny ‘taona ankasitrahany.’ (Isaia 61:2) Enga anie ka hanitatra ny paradisantsika ara-panahy foana ilay Ray any an-danitra, mandra-pahatongan’ny tany manontolo ho “henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.

[Efajoro, pejy 72]

Indray Mitopy Maso An’i Nikaragoà

Ilay tany: Nikaragoà no tany lehibe indrindra atỳ Amerika Afovoany. Mizara roa i Nikaragoà, ka tandavan-tendrombohitra no manasaraka azy eo afovoany. Faritra be farihy ny tapany andrefana. Tsy tena lonaka toy izany kosa ny faritra atsinanana, fa ala tropikaly sy tany lemaka no tena betsaka any. Misy volkano 40 eo ho eo eto, ary mbola mety hipoaka ny sasany amin’izy ireo.

Ny mponina: Metisy miteny espaniola ny ankamaroan’ny olona; Indianina sy Eoropeanina mantsy ny razambeny. Misy foko indianina maro atỳ, toy ny Monimbó sy Subtiaba vitsivitsy any amin’ny morontsiraka andrefana, ary koa ny Miskito sy Sumo ary Rama any amin’ny faritra atsinanana. Misy Karaiba metisy afrikanina sy Kreôla koa any atsinanana. Katolika ny ankamaroan’ny olona.

Ny fiteny: Espaniola no fiteny ofisialy, ary mampiasa ny fitenin-drazany koa ny olona.

Ny fivelomana: Fambolena sy fiompiana no tena andry iankinan’ny toe-karena eto Nikaragoà.

Ny sakafo: Ny tena sakafon’ny olona atỳ dia vary, katsaka, tsaramaso, ampemby, akondrolahy, mangahazo, ary voankazo isan-karazany. Anisan’ny vokatra fanondrana ny kafe, siramamy, akondro, hazan-dranomasina, ary henan’omby.

Ny toetrandro: Tany mafana sy be orana i Nikaragoà. Miovaova arakaraka ny faritra ny habetsahan’ny rotsakorana, ka mahatratra 190 ka hatramin’ny 380 santimetatra. Manodidina ny 26 degre ny mari-pana any amin’ny morontsiraka, ary mangatsiaka kokoa ny any amin’ireo faritra avo.

[Efajoro/Sary, pejy 99-102]

Fihaonana Tamin’ny Polisy Miafina

Húber sy Telma López

Mombamomba Azy: Manan-janaka telo efa lehibe izy mivady, ary anti-panahy i Húber.

Matetika no nisy anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana nosamborin’ny iraky ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny fitondrana taorian’ny tolom-bahoaka. Nogadraina sy nanaovana famotorana izy ireo, ka nety ho naharitra herinandro maromaro izany. Tsy niditra tamin’ny ady sy ny politika mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nendrikendrehina ho mpitaona olona hanohitra ny fanjakana. Tsy nisy nitondra izany teny amin’ny fitsarana anefa. Notadiavin’ireo mpanao famotorana koa ny anaran’ny “mpampianatra” sy ny “mpitarika.”

Anisan’ny nosamborina i Húber López, izay anti-panahy manan-janaka telo efa lehibe ankehitriny. Tamin’ny Desambra 1985 izy no nosamborina tao an-tranony, tany La Reforma, 40 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Managoà. Toy izao ny fitantaran’i Telma vadiny ny fahoriana tamin’io andro io:

“Nisy fiara roa tonga teo anoloan’ny tranonay, tamin’ny 4.00 hariva. Iraky ny Fiarovam-pirenena sy miaramila no tao anatiny, ary nanodidina ny tranonay ireo miaramila. Nilaza tamin’ireo iraka aho hoe tsy tao an-trano ny vadiko. Navoakan’izy ireo tany ivelany izaho sy ny ankizy, fa hisava ny trano, hono, ry zareo. Nijanona tao an-trano ihany anefa i Elmer zanakay lahimatoa folo taona. Hitany ny namoahan’ireo iraka ny boky rehetra tao amin’ny fitoeram-boky. Tany anelanelan’ireo boky ireo anefa no nafenin’ny vadiko ny antontan-taratasy sasany momba ny fiangonana. Rehefa nitaona ireo boky nankany anaty fiara ireo olona ireo, dia nikiakiaka i Elmer hoe: ‘Hoentinareo koa ve, tompoko, ny boky fianarako?’ Nitrerona ny miaramila iray namaly hoe: ‘Ento miverina àry ny anao e!’ Azon’i Elmer àry ny bokiny, niaraka tamin’ny antontan-taratasin’ny fiangonana.”

“Mbola teo am-pisakafoana izahay ny harivan’iny no niverina ireo miaramila. Nambanany basy izahay, ary nentiny ny vadiko. Nitomany ny zanakay nahita an’izany. Tsy nolazain’izy ireo na ny antony nitondrana ny vadiko na ny toerana hitondrana azy.”

Mitantara ny tohiny ny Rahalahy López hoe: “Nentina tany amin’ny fonjan’i Masaya aho, ary natao tao amin’ny efitra nisy jiolahy isan-karazany. Tonga dia nilazako ny mpiray efitra tamiko fa Vavolombelon’i Jehovah aho, ary nitoriako nandritra ny ora maromaro izy ireo. Nisy niantso aho tamin’ny misasakalina, nambanany basy aho ka navoakany ho eny amin’ny fiara efa niandry tao ivelany. Tsy navelany hitraka mihitsy aho, kanefa rehefa niditra aho dia fantatro ihany ireo olona efatra niondrika tao anaty fiara. Mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy tany Masaya nosamborina tamin’io alina io koa izy ireo.”

“Indroa izahay no norahonan’izy ireo hovonoina tamin’iny alina iny, ka teny amin’ny saha fambolena kafe ny voalohany. Tany an-tanàn-dehibe kosa ny faharoa, ka nasainy nilahatra teo amin’ny rindrina iray izahay. Toa niandry anay hilaza zavatra ry zareo, nefa tsy nisy niteny izahay. Nentina tany amin’ny fonjan’i Jinotepe izahay tamin’ny farany, ary notazonina telo andro tany amin’ny efitra samy hafa.”

“Tsy navela hatory afa-tsy ora vitsivitsy monja izahay isan’andro. Maizina ny efitra nisy anay ka tsy fantatray mihitsy na antoandro na alina ny andro. Nantsoina tany amin’ny efitra fanaovana famotorana foana izahay, ary nanontaniana momba ny asa fitoriana sy ny fivoriana ary ny anaran’ireo ‘mpitarika’ anay. Nilaza ny iray tamin’ireo mpanao famotorana, fa hosamborina ny ray aman-dreniko, ary hoterena hilaza zavatra. Reko tao amin’ny efitra figadrana tokoa ny feon’ny ray aman-dreniko sy ny vadiko ary ny mpianakaviko hafa. Hay feo noraisina namitahana ahy fotsiny ilay reko, mba hampinoana ahy fa nanaovana famotorana tao am-ponja koa ny mpianakaviko.”

“Rehefa afaka telo andro, dia nilazana aho hoe hafahana. Tsy maintsy hosoniaviko anefa, hono, aloha ny voady milaza fa tsy hitory momba ny fivavahako intsony aho. Nolazain’izy ireo koa fa efa nanao sonia ireo Vavolombelona namako. Lainga fotsiny anefa izany. ‘Raha tsy mety manao sonia ianao’, hoy ilay mpanao famotorana, ‘dia hogadrainay indray, ary avelao ianao ho faty atỳ.’”

“‘Aza avela handeha àry aho raha izany e! Avelao ihany aho ho ato’, hoy aho namaly azy.”

“‘Fa maninona?’, hoy izy”

“‘Satria Vavolombelon’i Jehovah aho, ka tsy maintsy mitory.’”

“Tsy nampoiziko fa nafahana ny androtr’iny ihany izahay dimy. Namaly ny vavakay tokoa i Jehovah, ary nanampy anay ho tony sy tsy hamadika ny rahalahinay. Narahi-maso foana anefa izahay taorian’izay.”

[Efajoro/Sary, pejy 105, 106]

Noterena Hankany An’ady

Giovanni Gaitán

Batisa: 1987

Mombamomba Azy: Nosamborina izy, tapa-bolana talohan’ny fotoana tokony hanaovana batisa azy, ary noterena hiaraka tamin’ny tafika mpiady anaty akata nandritra ny roa taona sy efa-bolana. Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny valo taona mahery.

Nisy rahalahy tanora noterena hiaraka tamin’ny tafika mpiady anaty akata, izay niady tany amin’ny ala matevina tany an-tendrombohitra.

Anisan’ireny tanora ireny i Giovanni Gaitán. Noterena hiaraka tamin’ny mpiady anaty akata nandritra ny roa taona sy efa-bolana izy, tamin’izy mbola mpitory tsy vita batisa. Herinandro vitsivitsy talohan’ny fotoana tokony hanaovana batisa azy izy no voasambotra. Mitantara i Giovanni hoe: “Nanomboka voasedra aho taorian’ny ady voalohany. Nasain’ny sefo iray nanasa fanamiana nisy ra, nesorina tamin’ny miaramila maty, aho. Tsy nety aho, satria noeritreretiko fa mety ho izany no dingana voalohany hitarika ahy hanaiky lembenana, ka handray anjara amin’ny ady. Tezitra be ilay sefo, ka nasiany ny totohondry mafy be ny tarehiko. Navoakany ny basiny, ka nambanany ny lohako, ary nitifitra izy, fa tsy nipoaka ilay basy. Noveleziny tamin’ilay basy ny tarehiko avy eo, ary norahonany aho hoe hovonoiny raha mbola mandà ny teniny.”

“Nampijalin’io sefo io foana aho taorian’izay, nandritra ny herintaona sy tapany. Imbetsaka no nofatorany nandritra ny andro manontolo ny tanako mba tsy hahafahako hihinan-kanina, ary notereny aho handeha teo alohan’ireo miaramila namakivaky ny ala. Nasiana basy sy grenady nifatotra tao andamosiko tamin’izany. Izaho no haza voalohany ho an’ny fahavalo! Nodarohan’ilay sefo foana aho, ary norahonany hovonoina, indrindra fa rehefa tena raikitra ny ady, ka tsy nety naka ny basin’ireo mpiady efa niala aina aho. Tsy nankahala an’ilay sefo anefa aho. Nomen’i Jehovah herim-po koa aho, ka tsy natahotra mihitsy.”

“Nentina nidina avy tany an-tendrombohitra izaho sy ny rahalahy maromaro indray maraina, tamin’ny volana Martsa 1985, ka nankany akaikin’i Mulukukú, angamba 300 kilaometatra tany avaratratsinanan’i Managoà. Tany ny fianakavianay no navela hitsidika anay. Tazako nipetraka irery ilay sefo raha mbola niara-nisakafo sy niresaka tamin’ny fianakaviako aho. Nitondrako sakafo iray vilia izy. Niantso ahy izy rehefa laniny ilay sakafo. Efa niomana aho hoe hampijalina indray. Gaga anefa aho fa niala tsiny izy tamin’izay nataony tamiko hatramin’izay. Nanontany momba ny zavatra inoako koa aza izy. Tamin’io no nahitako azy farany. Maty tamin’ny lozam-piarakodia izy taoriana kelin’izay.”

[Efajoro/Sary, pejy 116-118]

Mitantara Ireo Niandraikitra ny Asa

Ny sampan’i Costa Rica no nitantana ny asa teto Nikaragoà nandritra ny fotoana tsy nahafahana niasa malalaka. Nisy komity notendrena hiandraikitra ny asa teto an-toerana. Anisan’io komity io i Alfonso Joya sy Agustín Sequeira. Mitantara momba ireny fotoam-pisedrana ireny izy ireo.

Alfonso Joya: “Anti-panahy teto Managoà aho ary notendrena ho anisan’ilay komity niandraikitra ny asa, tamin’ny 1985. Mpiandraikitra sampan-draharaha lehibe tao amin’ny banky malaza iray aho tamin’izany fotoana izany. Afaka nanampy ireo rahalahy àry aho mba hitantanana tsara ny volan’ny fandaminana, rehefa nidina be ny sandam-bola nikaragoanina ka nitotongana ny toe-karena. Ny vidin’ny kiraro tsotsotra aza lasa roa tapitrisa cordobas [vola nikaragoanina], nefa 250 cordobas monja ny vidiny taloha!”

“Tsy nisy lasantsy koa teto Nikaragoà tamin’izany fotoana nampitotongana ny toe-karena izany, ka sarotra tamin’ireo rahalahy ny nanatitra boky sy gazety ho an’ny fiangonana lavitra. Nanampy anay anefa i Jehovah, ka nahita lasantsy ampy ho an’ireo rahalahy aho.”

“Tsy fantatry ny vady aman-janako hoe anisan’ilay komity niandraikitra ny asa teto aho. Dimy amby telopolo taona aho tamin’izay, ka mbola nety ho lany hanao raharaha miaramila. Inefatra no niantso ahy ny tafika, ary nalaina tany an-trano mihitsy aho indray mandeha. Tsaroako tsara tamin’izay fa teo akaikiko ny vadiko sy ny zanako kely telo tamin’izaho nambanan’izy ireo basy. Nahagaga fa tsy voaroaka tamin’ny asako mihitsy aho na dia tsy nety nanao raharaha miaramila aza.”

Agustín Sequeira: “Mpisava lalana manokana tany amin’ny tanàna kelin’i Boaco aho, tamin’ny fotoana nandroahana ny misionera, tamin’ny 1982. Notendrena ho anisan’ny komity teo an-toerana aho tatỳ aoriana. Tsy nahafantatra an’izany ny fiangonana nisy ahy. Tsy maintsy nifoha tamin’ny 4.00 maraina aho nanao ny asako, izay vao nanompo niaraka tamin’ny fiangonana.”

“Nampiasa solon’anarana daholo izahay anisan’ilay komity, rehefa nanao ny asanay. Nifanaraka izahay fa tsy hifampiresaka momba ny asanay mihitsy, ary niaro anay izany rehefa nisy fisamborana. Tsy nanana birao izahay, fa niasa tany amin’ny trano samy hafa. Nety ho nampiahiahy ny olona ny nahita ahy nitondra kitapo, ka nataoko tao anaty harona indraindray ireo antontan-taratasy, ary nasiako tongolo teo amboniny, ka nataoko tazana ny raviny. Imbetsaka aho no efa saika tratra, nefa mbola tsy voasambotra mihitsy.”

“Nitsidika anay matetika ny Komitin’ny Sampan’i Costa Rica, mba hampahery sy hanome tari-dalana anay. Ny fitokanana ny biraon’ny sampan’i Costa Rica tamin’ny Janoary 1987 no tadidiko indrindra sady nampahery ahy. Nihaona tamin’ny rahalahy roa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana mantsy izaho sy ny rahalahy iray, izay anisan’ny niandraikitra ny asa teto koa.”

Nodimandry ny Rahalahy Sequeira, taloha kelin’ny nanaovana pirinty an’ity fitantarana ity. Teo amin’ny faha-86 taonany izy tamin’izay, ary nanompo manontolo andro nandritra ny 22 taona. Anisan’ny Komitin’ny Sampana teto Nikaragoà izy.

[Efajoro/Sary, pejy 122, 123]

Tany Am-ponja no Nahitanay ny Tena Fahafahana

Nisy miaramila sy mpanao politika maro, izay niara-dia tamin’ny governemanta teo aloha, nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Modelo, teo anelanelan’ny taona 1979 sy 1989. Tafiditra tao amin’io fonja io anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka nameno ny fo sy ny sain’ireo olona tso-po, ary nanampy azy ireo hanahaka an’i Kristy. (Kol. 3:5-10) Ireto misy fitantarana vitsivitsy avy amin’ny sasany tamin’ireo voafonja taloha.

José López: “Tezitra mafy sy namoy fo aho rehefa nogadraina. Nihaona tamin’ireo voafonja lasa Vavolombelon’i Jehovah anefa aho. Nampiaiky ahy ny fitondran-tena tsaran’izy ireo sy ny fanazavany ny Baiboly. Nahazo izay nilaiko ara-panahy aho tamin’ny farany, ary nanana fanantenana indray. Nieritreritra aho hoe: ‘Fanjakan’olombelona tsy afaka nanome tena fanantenana ho ahy aza nahafoizako ny aiko, koa tsy vao mainka ve aho tokony hahatoky eo anatrehan’ilay Andriamanitra nanome ny Zanany hanavotra ahy?’ Nianatra ny fahamarinana koa ny vadiko sy ny zanako vavy ary ny havako telo, rehefa nafahana aho. Tsy ho voavaliko mihitsy izay nataon’i Jehovah ho ahy.”

Anti-panahy eto Managoà ny Rahalahy López.

Omar Espinoza: “Voaheloka higadra 30 taona aho tamin’izaho 18 taona. Nahazo famotsoran-keloka aho rehefa nigadra 10 taona. Malahelo aho rehefa mieritreritra hoe nigadra, nefa koa tany am-ponja no nahafantarako an’i Jehovah sy ny tena fahafahana. Tena ratsy fitondran-tena aho taloha, kanefa novako tanteraka ny fiainako. Misaotra an’i Jehovah aho, satria tena manana ny ampy amin’ny lafiny ara-panahy aho izao. Tapa-kevitra toa an’i Josoa aho hoe: ‘Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.’—Josoa 24:15.” 

Anti-panahy any Rivas ny Rahalahy Espinoza.

Anastasio Mendoza: “Nanomboka namaky samirery ny Baiboly aho, rehefa nigadra nandritra ny volana vitsivitsy. Niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah niara-nigadra tamiko aho avy eo. Tsy ela aho dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Mbola tsy niroso ho amin’ny batisa anefa aho, satria mbola tsy maty tao am-poko ny fankahalana an’ireo olona nisambotra ahy. Fantatro fa tsy tian’i Jehovah izany mankahala olona izany.”

“Nivavaka mafy tamin’Andriamanitra aho mba hamelany ny heloko sy hanampiany ahy hiala tamin’izany toe-tsaina ratsy izany. Nihaino ny fitarainako i Jehovah. Nanam-paharetana tamiko izy, ka nampianatra ahy foana hoe tsy ny olona no tokony hankahalaina fa ny toetra sy ny fanao ratsy. Natao batisa aho tamin’ny 1982 ary nafahana tamin’ny 1989. Nanomboka tamin’izay, dia maro ny miaramila taloha sy olon-kafa nitovy tamiko nampianariko Baiboly. Lasa rahalahiko ara-panahy izao ny sasany amin’izy ireny.”

Mpanampy amin’ny fanompoana eto Managoà ny Rahalahy Mendoza.

[Efajoro/Sary, pejy 141-145]

Nahazo Valim-bavaka Ilay Pasitera

Teodosio Gurdián

Batisa: 1986

Mombamomba Azy: Anti-panahy ao amin’ny Fiangonana Wamblán izy izao.

Tamin’ny 1986 no tena nafana ny adin’ny Sandinista sy ny mpifanandrina taminy. Nisy rahalahy roa avy tao amin’ny fiangonana kelin’i San Juan del Río Coco, nanao dia 100 kilaometatra nianavaratra, nankany Wamblán. Tanàna eny amin’ireo havoana ngazana, any akaikin’ny sisin-tanin’i Honduras, i Wamblán. Nandao an’io tanàna io ireo Vavolombelona vitsivitsy tao, roa taona talohan’izay, rehefa nisy ady tao. Nitady lehilahy nantsoina hoe Teodosio Gurdián ireo rahalahy roa tonga tany. Manazava ny antony nitadiavana azy i Teodosio.

“Pasiteran’ny fiangonana protestanta iray teto Wamblán aho taloha. Ny Fikambanan’ny Pasitera Nikaragoanina (fikambanan’ny pasitera avy amin’ny fiangonana protestanta rehetra eran’i Nikaragoà) no nanendry anay ho pasitera. Nanao sonia fifanarahana iray io fikambanan’ny pasitera io, taoriana kelin’ny nandraisan’ny Sandinista fahefana. Nekena tao anatin’ilay fifanarahana ny hidiran’ny pasitera sy ny mpiangona ho anisan’ny Komitim-piarovana Sandinista sy ny fikambanana hafa, anisan’izany ny tafika. Nanahiran-tsaina ahy anefa izany, satria nieritreritra aho hoe: ‘Mpanompon’Andriamanitra ve dia hitam-piadiana?’ ”

“Tatỳ aoriana dia nisy fianakaviana Vavolombelona nipetraka teto Wamblán, nanome ahy ilay boky hoe Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany? Namaky an’ilay boky aho nandritra ny alina. Nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! foana koa aho. Ela ny ela ka nahazo ny tena sakafo ara-panahy ihany aho. Nampiasaiko tamin’ny toriteniko mihitsy aza izay zavatra novakiko. Nisy nandaza tany amin’ny lehiben’ny fiangonana aho, ka nantsoin’izy ireo tany amin’ny birao foibe tany Managoà aho.”

“Nihevitra izy ireo hoe voafitaka aho satria tsy ampy fahalalana, ka nilaza izy ireo fa hampianarina mandritra ny valo volana any Managoà aho. Niorina tsara tao amin’ny Baiboly anefa izay nianarako tao amin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nametraka fanontaniana maro be tamin’ireo filoham-piangonana àry aho, anisan’izany ny hoe: ‘Nahoana isika no tsy mitory isan-trano toy ny nataon’ny Kristianina tany am-boalohany? Nahoana isika no mandoa ampahafolon-karena nefa tsy nitaky ny hanaovana izany ny apostoly?’ Tsy voavalin’izy ireo tsara ny fanontaniako, ka nantsoin’izy ireo hoe Vavolombelona aho.”

“Niala tsy ho anisan’ny fiangonana protestanta intsony aho taorian’izay, ary nitady Vavolombelon’i Jehovah tany Managoà, nandritra ny tapa-bolana. Tsy nahita Vavolombelona mihitsy anefa aho, satria mbola niafina izy ireo rehefa nivory tamin’ny 1984. Niverina teto Wamblán àry aho, ary fambolena katsaka sy tsaramaso teo amin’ny tany kely iray no namelomako ny vady aman-janako.”

“Nizara boky sy gazety be dia be ireo Vavolombelona, talohan’ny nialany teto Wamblán. Rehefa nahita an’ireny boky ireny tany an-tranon’olona aho, dia nanontaniako ilay tompony hoe: ‘Vakinao ve ity boky ity? Azoko vidina ve?’ Nanome fotsiny an’ilay boky ny ankamaroan’izy ireo, ka nanjary nanana boky maromaro aho.”

“Efa nanomboka niantso ahy hoe Vavolombelona koa ny olona teto, na dia mbola somary nafeniko aza izany. Tsy ela àry dia nanontany ahy momba izay nataoko ny iraky ny Fiarovam-pirenena. Nolazain’izy ireo tamiko fa mahazo mitory any amin’ny tanàna manodidina aho raha milaza vaovao avy any, toy ny anaran’ireo mpomba ny mpanohitra. ‘Tsy azoko atao izany’, hoy aho. ‘Mamadika ny Andriamanitro aho raha manao an’izany. Mitaky ny itiavana azy amin’ny fo manontolo i Jehovah.’”

“Nasain’ny miaramila manamboninahitra iray nanao sonia taratasy milaza ny fiandaniako amin’ny Sandinista koa aho, indray mandeha. Tsy nanaiky aho, ka navoakany ny basiny ary norahonany aho hoe: ‘Tsy fantatrao angaha fa azonay vonoina ny olona tsy manohana ny tolom-bahoaka fa mpanararaotra fotsiny?’ Tsy notifiriny anefa aho, fa nomeny fotoana hieritreretana indray. Efa nanao veloma ny vadiko àry aho ny alin’iny. Noresahiko taminy hoe: ‘Tsy maintsy ho faty ihany aho na manao sonia an’iny taratasy iny na tsia. Hotsarovan’i Jehovah amin’ny fitsanganan’ny maty anefa aho, raha tsy manao sonia. Karakarao tsara ny zanatsika ary matokia an’i Jehovah. Hanampy antsika izy.’ Nilaza tamin’ilay manamboninahitra aho ny ampitson’iny hoe: ‘Intỳ aho, ka ataovy izay hataonao fa tsy hanao sonia aho.’ Nihatokatoka izy sady niteny hoe: ‘Arahabaina. Efa fantatro fa izay no tsy maintsy havalinao. Fantatro tsara ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Navelany handeha aho avy eo.”

“Tsy niafinafina intsony aho nitory taorian’izay, ary nitety tanàna lavitra be sy nanasa ireo olona liana mba hiara-mivory. Nisy mpivady efa antitra anisan’ireo voalohany tonga nivory, ary nisy fianakaviana hafa koa avy eo. Tsy ela dia nisy 30 izahay no niara-nivory tsy tapaka. Gazety Ny Tilikambo Fiambenana efa tranainy no nampiasaiko, ary nataoko toy ny lahateny ilay izy, satria tsy nanana afa-tsy gazety iray izahay. Nisy miaramila koa aza nampianariko Baiboly, ary lasa Vavolombelona ny iray tamin’izy ireo.”

“Tamin’ny 1985, dia reko tamin’ny miaramila iray nandalo teto, hoe misy Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Jinotega, any amin’ny 110 kilaometatra atsimon’i Wamblán. Nasaiko hiaraka tamiko nankany ny mpianatra Baiboly iray teto Wamblán. Nahita tranona fianakaviana Vavolombelona izahay tamin’ny farany, rehefa nanontany olona teny an-tsenan’i Jinotega. Ilay ramatoa tao no namoha trano, ary nolazainay taminy hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay. Nanontany izy raha hanatrika ny Fahatsiarovana no nahatongavanay. ‘Fahatsiarovana inona?’, hoy izahay taminy. Nantsoiny haingana ny vadiny, tamin’izay. Nampandroso anay ilay vadiny, rehefa resy lahatra hoe tsy mpisandoka izahay. Nampalahelo fa efa vita ny omalin’iny ny Fahatsiarovana. Mbola nijanona telo andro tao amin-dry zareo anefa izahay ary sambany vao nanatrika Fianarana Boky tamin’izay.”

“Nanohy nitory sy nitarika fivoriana ihany aho rehefa niverina teto Wamblán. Nandeha ny fotoana, ary tonga teto ireo rahalahy voaresaka erỳ aloha, iray andro talohan’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1986. Nampandre haingana ny olona liana rehetra teto an-tanàna izahay mpianatra ny Baiboly vitsivitsy, ka 85 ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana voalohany nataonay.”

“Ny volana Oktobra tamin’iny taona iny no natao batisa izaho sy ilay mpivady efa antitra nampianariko Baiboly voalohany. Efa 80 taona mahery izy mivady tamin’izay. Misy mpitory 74 sy mpisava lalana maharitra 3 izao eto amin’ny Fiangonana Wamblán, ary anti-panahy ao aho. Nanao ny Fahatsiarovana tany amin’ny tanàna telo hafa ankoatra an’i Wamblán izahay tamin’ny 2001, ka 452 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika.”

[Tabilao/Sary, pejy 80, 81]

NIKARAGOÀ—IREO TAONA NANAN-TANTARA

1925

1934: Nametraka boky sy gazety tatỳ ny anabavy mpisava lalana iray.

1937: Nanomboka ny fitondran’i Somoza.

1945: Tonga teto ny misioneran’i Gileada, kilasy voalohany.

1946: Nitsidika an’i Managoà i N. Knorr sy F. Franz. Nisy biraon’ny sampana nanomboka niasa teto Nikaragoà.

1950

1952: Norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fampirisihan’ny mpitondra fivavahana katolika.

1953: Nofoanan’ny Fitsarana Tampony ilay fandrarana.

1972: Nisy horohoron-tany nandrava an’i Managoà.

1974: Vita ny fanorenana ny tranon’ny sampana sy ny tranon’ny misionera.

1975

1979: Naongan’ny Sandinista ny fitondran’i Somoza. Olona 50 000 no maty nandritra ny tolom-bahoaka.

1981: Tsy nekena ho ara-dalàna toy ny taloha intsony ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

1990: Nekena ho fikambanana ara-dalàna indray ny Vavolombelon’i Jehovah.

1994: Nisy mpisava lalana manokana tsy maharitra niisa 100 voatendry. Mbola nisy fanendrena toy izany koa tatỳ aoriana.

1998: Namely an’i Amerika Afovoany ny Rivo-doza Mitch, ka olona 4 000 no maty teto Nikaragoà.

2000

2002: Misy mpitory 16 676 eto Nikaragoà.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpitory

Isan’ny Mpisava Lalana

20 000

15 000

10 000

5 000

1950 1975 2000

[Sarintany, pejy 73]

(Jereo ny boky)

HONDURAS

NIKARAGOÀ

Matagalpa

León

MANAGOÀ

Masaya

Jinotepe

Granada

Farihin’i Nikaragoà

Nosy Ometepe

Rivas

Renirano San Juan

Bluefields

COSTA RICA

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 70]

Ambony: Francis (ankavia) sy William Wallace ary i Jane anabavin’izy ireo

[Sary, pejy 70]

Ambany (aoriana, avy eny ambony no midina): Wilbert Geiselman, Harold Duncan, Francis Wallace; (eo aloha, avy eny ambony no midina): Blanche Casey, Eugene Call, Ann Geiselman, Jane Wallace, Evelyn Duncan

[Sary, pejy 71]

Ambony: Adelina sy Arnoldo Castro

Ankavanana: Dora sy Evaristo Sánchez

[Sary, pejy 76]

Doris Niehoff

[Sary, pejy 76]

Sydney sy Phyllis Porter

[Sary, pejy 79]

Agustín Sequeira, mpitory voalohany tany Matagalpa

[Sary, pejy 82]

María Elsa

[Sary, pejy 82]

Gilberto Solís sy María Cecilia vadiny

[Sary, pejy 87]

Nisy horohoron-tany nandrava an’i Managoà tamin’ny 1972

[Sary, pejy 90]

Andrew sy Miriam Reed

[Sary, pejy 90]

Ruby sy Kevin Block

[Sary, pejy 92]

Toeram-piompiana akoho no nanaovana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Tsy Fivadihana Amin’ilay Fanjakana”

[Sary, pejy 95]

Misionera noroahina avy teto Nikaragoà tamin’ny 1982

[Sary, pejy 109]

Rahalahy nanao pirinty nandritra ny fotoan’ny fandrarana sy ireo milina nantsoina hoe Ilay Akoholahy sy Ilay Akohokely ary Ilay Akohovavy

[Sary, pejy 110]

Tsy natahotra mihitsy i Elda Sánchez nanomana ireo taratasy modely

[Sary, pejy 115]

Ireo anabavy nikarakara sakafo sy niambina, rehefa nanao pirinty ireo rahalahy

[Sary, pejy 126]

Eo aloha: Rahalahy sasany nahalala ny fahamarinana tany am-ponja; avy eo ankavia miankavanana: J. López, A. Mendoza, O. Espinoza; eo aoriana: Carlos Ayala sy Julio Núñez, anti-panahy nitsidika ny fonja mba hanampy ara-panahy an’ireo rahalahy

[Sary, pejy 133]

Trano nampiasaina ho biraon’ny sampana, rehefa afaka ny fameperana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 134]

Rahalahy nanolo-tena nandeha bisikileta nanatitra sakafo sy fanampiana, taorian’ny Rivo-doza Mitch. Nisy koa nanorina indray ny trano sy Efitrano Fanjakana rava

[Sary, pejy 139]

Banacruz, tanàna kely itoriana ny vaovao tsara any amin’ny faritra atsinanana na dia sarotra aza ny mankany

[Sary, pejy 147]

Nisy 28 356 ny mpanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, fivoriambe voalohany natao taorian’ny 1978

[Sary, pejy 147]

Nanatrika ny batisan’ireo olona 784 ireo mpanatrika. Io no batisa betsaka indrindra teto Nikaragoà

[Sary, pejy 148]

Komitin’ny Sampana tany am-piandohan’ny taona 2002, avy eo ankavia miankavanana: Ian Hunter, Agustín Sequeira, Luis González, ary Lothar Mihank