Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Philippines

Philippines

Philippines

Raha vao miresaka an’i Philippines ianao, dia izao no tonga ao an-tsainao: voaniho, zavamaniry maitso atỳ amin’ny tany mafana, torapasika fotsy sy ranomasina tsara tarehy. Misy nosy 7 100 eto, ary antsoina hoe Perlan’ny Ranomasina Atsinanana izy ireo. Falifaly, sariaka sy be fitiavana ary tia mandihy sy mihira koa ny mponina eto. Tsy hohadinoinao mihitsy ny fahaiza-mandray vahiny asehony, raha mitsidika azy ianao.

Loza kosa no tonga ao an-tsain’ny maro, raha i Philippines no resahina. Tadidinao angamba ny nipoahan’ny Volkano Pinatubo, izay namoaka ranoka nandrava tanàna maro; ny loza an-dranomasina nahatsiravina indrindra, dia ny fifandonan’ny sambokely Doña Paz tamin’ny sambo mpitondra solika, ka nahafaty olona an’arivo. Milaza mihitsy aza ny Foibem-pikarohan’i Belzika Momba ny Loza, fa i Philippines no tany mora itrangan’ny loza indrindra eto an-tany. Mateti-pitranga eto ny rivo-doza, tondra-drano, horohoron-tany, ary fipoahan’ny volkano. Eo koa ny fahantran’ny olona. Hitanao araka izany fa tany tsara tarehy i Philippines, nefa be zava-manahirana.

Miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah eto Philippines hampahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly, amin’ireo mponina 78 000 000 eto. Tsy mora izany. Mandrahona foana ny hetraketraky ny natiora, ary sarotra ny mitsidika ny olona any amin’ireo nosy kely be dia be sy any an-tendrombohitra lavitra ary any anaty ala. Mandroso anefa ilay asa. Hain’ny vahoakan’i Jehovah foana ny fomba iatrehana izay mitranga. Notahin’i Jehovah àry ny asa fampianarana ataon’izy ireo.

Misy itoviana amin’ny Isiraelita fahiny ny Vavolombelona eto Philippines. Naniry hamerina ny fivavahana marina tany Jerosalema ny Isiraelita, ka nampahery azy ireo ireto tenin’i Nehemia ireto: “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Neh. 8:10) Faly nanao zavatra ho an’ny fivavahana tamin’i Jehovah izy ireo, na dia maro aza ny olana. Samy nampianarina ny Tenin’Andriamanitra na ny vahoaka tamin’ny andron’i Nehemia, na ny Vavolombelona eto Philippines. Ny fifaliana avy amin’i Jehovah koa no ataon’izy ireo ho fiarovana mafy ho azy.

Niposaka ny fahazavan’ny fahamarinana

I Philippines no tany be Katolika indrindra atỳ Azia. Nanaraka ny fivavahan-drazany ny mponina teto taloha, nefa nanjaka teto nandritra ny 300 taona mahery ny Espaniola, ka nanery ny olona hanaraka ny fivavahana katolika. Ny fivavahana katolika foana àry no nanjaka teto, na dia nitondra fivavahana hafa aza ny Amerikanina nitantana teto nandritra ny 50 taona. Milaza ho katolika ny 80 isan-jaton’ny mponina eto.

Tompon’andraikitra teo anivon’ny Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, i Charles Russell. Nanao lahateny naneran-tany izy tamin’ny 1912, ary nandalo teto Manille koa. Nataony tamin’ny 14 Janoary tao amin’ny Trano Fanaovana Opéra teto Manille ilay lahateny hoe “Aiza moa Ireo Maty?” Nizarana boky sy gazety ny mpanatrika tamin’izay.

Nitohy ny famafazana ny voan’ny fahamarinana teo am-piandohan’ireo taona 1920. Ny Rahalahy William Tinney avy any Kanada, no solontenan’ny Mpianatra ny Baiboly nanaraka. Nandamina kilasy fianarana Baiboly izy. Narary izy ka voatery nody, nefa nisy olona liana nanohy ilay fianarana. Nandefasana boky sy gazety izy ireo, mba hanolokoloana ny fahamarinana tao am-pony. Toy izany no natao hatramin’ny fiandohan’ireo taona 1930. Nalefa tamin’ny radio KZRM ny hafatra momba ny fahamarinana, tamin’ny 1933.

Niala tany Hawaii i Joseph dos Santos, tamin’izay, mba hitory maneran-tany. I Philippines no toerana nalehany voalohany. Tsy nandeha tany an-tany hafa anefa izy, satria nasaina niandraikitra ny fitoriana sy nanorina biraon’ny sampana teto. Nanomboka niasa tamin’ny 1 Jona 1934 ilay birao. Nitory sy nizara boky sy gazety ny Rahalahy dos Santos, niaraka tamin’ny olona vitsivitsy avy teto naniry hanompo an’i Jehovah. Nisy fanoherana tamin’izay, nefa nisy mpitory 121 tamin’ny 1938, ary mpisava lalana ny 47 tamin’ireo.

Nampianatra teny anglisy ny Amerikanina tonga teto, nefa hitan’ireo rahalahy fa tsara kokoa raha amin’ny tenin-drazany no ampianarana Baiboly ny olona. Sarotra izany, satria misy fiteny sy fitenim-paritra efa ho 90 ampiasaina eto Philippines. Niezaka handika boky sy gazety tamin’ireo fiteny lehibe ampiasaina àry ireo rahalahy. Hoy ny biraon’ny sampana tamin’ny 1939: “Mandray feo [lahateny ara-baiboly] amin’ny teny tagalog izahay izao, ary manantena fa ho afaka hampiasa grafofaonina mba hanomezam-boninahitra bebe kokoa ny Tompo.” Nilaza koa ireo rahalahy fa nadika tamin’ny teny tagalog ny boky Harena. Nisy bokikely voadika tamin’ny fiteny lehibe efatra ampiasaina eto, roa taona taorian’izay. Afaka nahazo ny hafatra momba ilay Fanjakana àry ny ankamaroan’ny olona.

Anisan’ireo nanaiky ny fahamarinana tamin’izany i Florentino Quintos. Lehilahy nanatrika ilay lahatenin’ny Rahalahy Russell teto Manille tamin’ny 1912 no nandrenesany voalohany momba ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Nahazo boky ara-baiboly 16 avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Florentino, tamin’ny 1936. Sahirana tamin’ny asa fampianarana anefa izy, ka lasa haingon-trano fotsiny ireo boky samy hafa loko, fa tsy novakiny akory. Nipoaka ny ady avy eo, ary nanafika ny Japoney, ka nitsahatra ny asa fanao andavanandro. Nanam-potoana hamakiana ireo boky amin’izay i Florentino. Tsy ela dia voavakiny ny boky Harena sy Fahavalo ary Famonjena. Tsy maintsy nandositra an’ireo Japoney izy, ka tsy afaka namaky an’ireo boky intsony. Efa voafafy tao am-pony anefa ny voan’ny fahamarinana.

Fitomboana haingana nandritra ny Ady Lehibe

Niteraka olana vaovao ho an’ny mpanompon’i Jehovah teto Philippines ny Ady Lehibe II. Nisy mpitory 373 teto rehefa nipoaka ilay ady. Vitsy izy ireo, nefa tena nazoto sady nahay niaina araka ny zava-nisy, teo am-panaovana ny fitoriana.

Nisy rahalahy avy teto Manille nifindra nankany amin’ireo tanàna kely nanodidina mba hitory tany. Tsy afaka nanafatra boky sy gazety ara-baiboly izy ireo, ka boky sy gazety notahirizina tany an-tranon’ireo rahalahy talohan’ny ady no napetrany. Lany indray izany, ka nampindramin’izy ireo olona ny bokiny.

Mpampianatra i Salvador Liwag, nefa niala tamin’ny asany mba hitory manontolo andro. Tany Mindanao izy, rehefa nipoaka ny ady. Nandositra tany an’ala sy tany an-tendrombohitra izy sy ny rahalahy hafa, ary nanohy ny fanompoany tany. Tsy maintsy nitandrina mafy izy ireo sao ho tratran’ny Japoney ka hotereny hiasa any amin’ny toby miaramilany. Niahiahy an’ireo rahalahy ho mpitsikilon’ny japoney koa anefa ireo mpiady anaty akata tsy tia Japoney.

Mahavariana fa afaka nanao fivoriambe ireo rahalahy nandritra ny fitondran’ny Japoney, na dia nozarazaraina kely aza izy ireny. Nisy fivoriamben’ny faritra natao, ohatra, teto Manille, ary maro ny mpanatrika. Nisy iray hafa tany Lingayen. Gaga ny mponina rehefa nahita vahiny tonga tamin’ny kamiao, nefa tsy nanakantsakana izany izy ireo, ka vita soa aman-tsara ilay fivoriambe.

Notahin’i Jehovah izany asa rehetra izany, ka nihamaro ny Vavolombelona. Nisy 373 ny mpidera azy rehefa nipoaka ilay ady, nefa nihoatra ny 2 000 izy ireo, efa-taona monja taorian’izay.

Tsarovy fa nasaina handamina ny asa fitoriana teto Philippines ny Rahalahy dos Santos. Nogadrain’ny Japoney teto Manille izy, tamin’ny Janoary 1942. Tsy lefy mihitsy anefa ny zotom-pony. “Nilaza ny vaovao tsara tamin’ny olona betsaka araka izay azoko natao aho tao amin’ilay fonja”, hoy izy. Mafy ny fiainana tao amin’ilay fonja, ary maro no maty mosary. Nilanja 61 kilao ny Rahalahy dos Santos tamin’izy nampidirina tao, fa 36 kilao izy sisa rehefa navoaka.

Nafahan’ny Amerikanina ireo gadra, tamin’ny 1945, ary nilaza izy ireo fa azon’izy ireo alefa hody any Hawaii ny Rahalahy dos Santos. Tsy nety anefa izy. Nahoana? Tiany ny asan’ilay Fanjakana, ary te hanao izay azony natao izy mba hampandroso azy io teto Philippines. Mbola tsy tonga rahateo ilay handimby azy. “Tsy hiala eto aho, mandra-pahatongany!”, hoy izy. Hoy i Hilarion Amores, momba an’i Joseph dos Santos: “Tena niasa mafy izy, sady niahy ny amin’ny zavatra ara-panahy nilain’ireo rahalahy!”

Tonga ny misionera

Nanao izay azony natao ny rahalahy teto Philippines, taloha sy nandritra ny ady, na dia tsy nahazo fampiofanana manokana aza. Nisy fanampiana tonga anefa taoriana kelin’ny ady. Tonga teto tamin’ny 14 Jona 1947 i Earl Stewart sy Victor White ary Lorenzo Alpiche, nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada. Nisy nandimby àry ny Rahalahy dos Santos, ka nody tany Hawaii izy mianakavy, tamin’ny 1949.

Voatendry ho mpiandraikitra ny sampana ny Rahalahy Stewart. Notendrena hanompo teny amin’ny saha ny ankamaroan’ny misionera tamin’izany. Rahalahy avy eto Philippines nankany Gileada i Victor Amores. Hoy izy, momba ny vokatry ny asan’ny misionera voaofana: “Nanampy be dia be teo amin’ny fandaminana ny asa izy ireo. Nianatra tamin’ireny misionera ireny ireo rahalahy, ka nandroso ny asa. Nisy mpitory 2 600 tamin’ny 1946, fa efa ho 77 000 kosa talohan’ny 1975.” Nisy misionera maro hafa tonga, taorian’ireo telo mirahalahy voalohany. Anisan’izany ry Brown sy ry Willett, izay nanompo tany Cebu, sy ry Anderson, izay niasa tany Davao. Teo koa ry Steele sy ry Smith ary ny Rahalahy Hachtel sy Bruun. Tonga teto tamin’ny 1951 i Neal Callaway. Nanambady an’i Nenita, anabavy avy eto Philippines, izy tatỳ aoriana. Nanompo saika tamin’ny faritra rehetra teto Philippines izy mivady, hatramin’ny nahafatesan’ny Rahalahy Callaway tamin’ny 1985. Tonga teto tamin’ny 1954 i Denton Hopkinson sy Raymond Leach avy any Angletera, ary mbola manampy be dia be ihany izy ireo, 48 taona mahery atỳ aoriana.

Tsy ny misionera vahiny ihany no nanampy tamin’ny fandaminana sy fanitarana ny asa fitoriana ilay Fanjakana teto Philippines. Nisy rahalahy avy eto koa nasaina ho any amin’ny Sekolin’i Gileada tamin’ireo taona 1950, ary nanompo teto ihany avy eo ny ankamaroany. I Salvador Liwag sy Adolfo Dionisio ary Macario Baswell no voalohany. Efa noresahintsika teo i Victor Amores, ilay nahazo fiofanana tany Gileada. Nampihariny teo amin’ny fitetezam-paritany sy teto amin’ny Betela ny fiofanana azony. Nanambady sy niteraka izy tatỳ aoriana, nefa nanao ny fanompoana manontolo andro indray avy eo. Mpiandraikitra mpitety faritany izy, ary mpisava lalana manokana tany Laguna, niaraka amin’i Lolita vadiny, hatramin’izy 80 taona latsaka.

Fandrosoana nandritra ireo taona 1970

Nandroso haingana ny asa, ka tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny mpitory. Nihoatra ny 77 000 izany tamin’ny 1975. Natanjaka ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny ankapobeny sady nahatoky. Nisy tsy nanompo an’i Jehovah intsony anefa, rehefa tsy tonga tamin’ny 1975 ny faran’ity tontolo ity. Latsaka ny 59 000 indray ny isan’ny mpitory tamin’ny 1979. Hoy i Cornelio Cañete, mpiandraikitra ny faritra tany antenatenan’ireo taona 1970: “Nisy natao batisa noho ny taona 1975 fotsiny, ary nanaraka ny fahamarinana nandritra ny fotoana kelikely. Niala anefa izy ireo taorian’ny 1975.”

Nila fampirisihana fotsiny anefa ny ankamaroany mba hanana fomba fihevitra mety momba ny fanompoana kristianina. Nandamina ny hanaovana lahateny manokana àry ny biraon’ny sampana. Nahazo fampaherezana tamin’izany ireo mpitory narisika, ary nidera an’i Jehovah indray ny sasany tamin’ireo tsy nitory intsony. Nanjary takatr’ireo rahalahy fa tsy misy fetrany ny fotoana anompoana an’Andriamanitra, fa mandrakizay. Nitombo be indray ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, taorian’iny fihenana kely iny. Nisy diso fanantenana, nefa tsy namela izany hahatonga azy hanadino ny hatsaran’i Jehovah. Novalian-tsoa tokoa izy ireo!

Fitoriana voalohany tany an-tendrombohitra

An’arivo ireo nosy eto Philippines, ka 1 850 kilaometatra ny elanelan’ny nosy farany avaratra sy farany atsimo, ary 1 000 kilaometatra ny elanelan’ny nosy farany atsinanana sy farany andrefana. Tsy misy mponina ny nosy sasany, ary maro no be tendrombohitra saro-dalana. Sarotra ny mankany amin’ireny toerana lavitra ireny.

Anisan’izany i Kalinga-Apayao. Misy foko sy tanàna kely maro any amin’ireo tendrombohitra saro-dalan’ny Cordillère centrale, any Luçon avaratra. Samy manana ny fiteniny sy ny fombafombany izy ireo. Tsy nisy mpihaza olona intsony nanomboka tamin’ny taonjato faha-20, nefa nifankahala sy nifamono ny mponin’ireo tanàna kely samihafa. Hoy i Geronimo Lastima: “Sarotra ny nandefa mpisava lalana manokana tany amin’ireny faritany ireny taloha, satria nanenjika sy namono an’ireo rahalahy ny mponina tany.”

Anabavy àry no nalefa tany. Hoy i Geronimo: “Tsy nenjehin-dry zareo ny vehivavy, satria tsy fombany ny mikasi-tanana vehivavy.” Nandaitra ny fampianaran’ireo anabavy ny fahamarinana, ary nisy natao batisa sy lasa mpisava lalana ny mponina tany. Fantatr’izy ireny ny fomban’ny olona teo aminy, ka hainy ny nitory taminy. Niely nanerana an’ireo tendrombohitra àry ny “mpihaza”, izany hoe mpikaroka an’ireo mitady ny fahamarinana. Vavolombelona vitsivitsy monja no tany Kalinga-Apayao tamin’ireo taona 1970, nefa misy faritra roa any izao.

Toy izany koa no hita tany Ifugao, be tendrombohitra. Tsy nisy Vavolombelona tany, teo am-piandohan’ireo taona 1950. Nisy mpisava lalana maharitra telo nirahina hitory tamin’ireo olona nonina tany akaikin’ireo tanimbary izay efa nisy hatramin’ny taonjato maro. Nisy nanaiky ny fahamarinana, rehefa nandeha ny fotoana, ary misy fiangonana 18 sy mpitory 315 izao any.

Sarotra ny mankany amin’ireo tanàna kely tsy misy Vavolombelona, any amin’ireo tendrombohitr’i Abra, any amin’ny farany avaratra. Nanasa mpitory 34 hiara-mitory taminy tany akaikin’i Tineg, ny mpiandraikitra ny faritra iray te hitory tany amin’ireo toerana lavitra. (Asa. 1:8) Tsy misy ny fitaterana, ka nandeha an-tongotra nandritra ny herinandro teny an-tendrombohitra izy ireo, mba hahatongavana tany amin’ireo tanàna folo nisy trano 250 teo ho eo.

Hoy ilay mpiandraikitra ny faritra: “Tena nampahatahotra ny nanaraka ny sisin’ireo tendrombohitra, sady nitondra entana. Inefatra izahay no natory teny an-kalamanjana teny an-tendrombohitra na teny amoron-drano.” Taona maro talohan’izay ny olona tao amin’ireo tanàna kely ireo no nitoriana farany. Hoy ny rangahy iray niresahan’ireo mpitory: “Tamin’ny 27 taona lasa no nitory tamin’ny raiko ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza taminay ny raiko fa ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana marina.” Nahapetraka boky 60, gazety 186, bokikely 50, ary taratasy mivalona 287, ireo mpitory ireo, ary nampiseho ny fomba ianarana Baiboly tamin’ny olona maro.

Fitoriana tany amin’ny toerana lavitra hafa

Nosy lehibe lavalava i Palawan. Mahatratra 434 kilaometatra ny halavany. Vitsy kokoa ny mponina any, ka tsy dia misy tabataba toy ireo nosy hafa any. Feno ala any ary ahitana foko samihafa sy toby maro, toy ny an’ny mpitsoa-ponenana. Nirahina mba ho mpiandraikitra ny faritra tany i Raymond Leach, izay nanaiky hatrany ny fanendrena azy. Vitsy ny Vavolombelona tany, ary lavitra ny lalana tsy maintsy naleha. Hoy io misionera io: “Nirahina hanompo tany aho, tamin’ny 1955 ka hatramin’ny 1958. Tsy nisy afa-tsy mpitory 14 tany, nefa iray volana sy herinandro vao vitako ny fitsidihana rehetra.”

Nisy fandrosoana be tany, na dia mbola sarotra aza ny fitoriana any. Mpisava lalana manokana tany Palawan i Febe Lota, nanomboka tamin’ny 1984, ary 40 taona mahery izy izao. Hoy izy mitantara ny zava-nitranga iray tany Dumaran: “Tonga teo amin’ilay noheverinay fa trano farany izahay. Tsy nampoizinay fa mbola nisy trano hafa tao ambadika tao!” Nisy mpivady nipetraka sy nikarakara voly voaniho tao, sady liana tamin’ny Baiboly!

Hoy i Febe: “Tsy ho niverina tany mihitsy aho, raha tsy noho ny fanompoana an’i Jehovah.” Alam-boaniho sady lalam-pasika feno vato manamorona ny ranomasina, no tsy maintsy nandehanan’i Febe sy ilay namany, nandritra ny iray andro. Nandeha tao anaty rano hatreo amin’ny lohalika izy ireo, rehefa nisamonta ny ranomasina. Lavitra ilay toerana, ka naleon’izy ireo nankany isam-bolana sy hijanona andro maromaro, ka nitondra sakafo, boky, gazety, ary akanjo maromaro. “Nila fandavan-tena be izahay, satria nigaingaina ny masoandro ary nanaikitra ny bibikely. Tsemboka be izahay, rehefa tonga.” Novalian-tsoa anefa ny ezaka nataony, satria nandroso haingana be ilay mpivady.

Batista ny fivavahan’ilay mpitantana an’ilay alam-boaniho, ka notereny hiala tamin’ny asany izy mivady, rehefa reny fa nianatra tamin’ny Vavolombelona. Faly sady gaga anefa i Febe tatỳ aoriana, nahita an’ilay ramatoa indray. Vita batisa izy, hoy i Febe, ary tsy vitan’izany fa “niaraka taminay koa nanatrika ny fivorian’ny mpisava lalana tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra.” Mahafaly tokoa ny mahita ny vokatry ny asa tsara natao!

Misy toerana maro saro-dalana koa any Mindanao, nosy lehibe any atsimo. Mpiandraikitra mpitety faritany tany i Nathan Ceballos, niaraka tamin’ny vadiny. Niezaka hitory tany amin’ny faritany nitokana izy ireo, rehefa tsy nitsidika fiangonana. Nanasa rahalahy sy anabavy hafa hiaraka taminy izy ireo. Nampiasa môtô 19 izy ireo indray mandeha, mba handehanana tany amin’ireo tanàna kely. Ratsy sy be fotaka ny lalana, ary tsy maintsy nita renirano izy ireo, nefa tsy nisy tetezana firy. Tsy nanam-bola ny olona tany, nefa tia an’ireo boky sy gazety, ka kifafa namboarin’izy ireo no nomeny ho mariky ny fankasitrahany. Alao sary an-tsaina ireo rahalahy rehefa nody, nitaingina môtô feno kifafa! Hoy i Nathan: “Vizana sy nisavoritaka be izahay rehefa nody, nefa faly be satria fantatray fa nanao ny sitrapon’i Jehovah.”

Mampiasa ny fomba rehetra itoriana ny vaovao tsara

Nampirisika ny mpitory ny fandaminan’i Jehovah tato ho ato mba hitady fomba itoriana. Tena mety indrindra izany any amin’ireo toerana be mponina. Mitovy amin’ny tanàn-dehibe hafa rehetra i Davao sy Cebu ary Manille. Feno tranombarotra sy birao ary toeram-ponenana tsy azo idirana any amin’izy ireny. Inona no natao mba hitoriana amin’izy ireny?

Tanora nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana i Marlon Navarro, mpiandraikitra ny faritra tany Makati taloha. Nandamina ny fitoriana tany amin’ireo faritany be fivarotana izy. Fiangonana telo no voatendry hitory tamin’io faritany io. Maro ny mpisava lalana sy mpitory nofidina sy nampiofanina mba hitory tao amin’ilay faritany. Mitarika fampianarana Baiboly maro any amin’ireo fivarotana sy zaridaina ao amin’ilay faritra izy ireo, ary manatrika fivoriana ny sasany amin’ireo mpianatra.

Mpisava lalana ny Anabavy Cory Santos sy Jeffrey zanany lahy. Matetika izy mianaka no mitory vao maraina eny an-dalana, ka indraindray manomboka amin’ny enina ora. Olona avy niasa alina tany amin’ny orinasa no hitan’izy ireo. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly mihitsy izy ireo, ka nandroso sy natao batisa ny sasany.

Niezaka nitady fomba itoriana amin’ny olona any ivelan’ireo tanàn-dehibe koa ny mpitory. Niresaka tamin’ny ramatoa iray niandry bisy i Norma Balmaceda, efa mpisava lalana manokana nandritra ny 28 taona mahery. Nanontany an’ilay ramatoa izy hoe: “Handeha ho aiza izy izany?”

Namaly ilay ramatoa hoe: “Ho any Quirino aho ka!”

“Fa any ianareo no mipetraka?”

“Ny vadiko no te hifindra any, fa mafy be ny fiainana eto Ifugao.”

Izay no nahafahan’i Norma nanomboka niresaka momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana handamina ny zava-manahirana ny olombelona. Nisaraka izy ireo avy eo. Nisy ramatoa nanatona an’i Norma, tany amin’ny fivoriamben’ny faritra, taona maro taorian’izay, ary nilaza fa izy ilay ramatoa niresahany. Vita batisa izy, ary mianatra Baiboly ny vadiny sy ny zanany vavy roa.

Mitady fomba itoriana foana ireo rahalahy eto amin’ny biraon’ny sampana, eto Quezon City. Fantatra tsara, ohatra, fa mazoto mitory i Felix Salango. Matetika no manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy, na dia manompo eto amin’ny Betela aza. Tsikariny ireo mpiasa nokaramaina hanangana ny rindrin’ilay trano fonenana fanampiny, tamin’ny 2000. Nanatona an’ilay lehiben’ny injeniera izy, ary nangataka hiresaka tamin’ireo mpiasa. Hoy i Felix: “Nankany amin’ilay toeram-panorenana aho taorian’ny sakafo antoandro. Efa nangonin’ilay injeniera teo ireo mpiasa maherin’ny 100. Nohazavaiko ny momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nolazaiko fa mila fahalalana ny olona raha tsy te ho ringana amin’ny fahoriana lehibe. Nitondra bokikely iray baoritra sy boky Fahalalana iray baoritra aho. Nohazavaiko tamin’ireo mpiasa fa afaka naka boky na bokikely izy ireo, raha te hianatra ny Tenin’Andriamanitra.” Nohazavain’i Felix koa ny fomba anohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ary nametraka ireo boky sy valopy teo ambany voaniho izy. Maro no naka boky na bokikely, ary betsaka koa no nandrotsaka vola tao amin’ilay valopy.

Nisy te hianatra, ka anisan’izany ilay injeniera. Nampianarin’i Felix tamin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? izy, ary isaky ny alatsinainy sy alarobia ary zoma taorian’ny sakafo antoandro no natao izany. Hoy izy tamin’i Felix: “Hazavaiko amin’ny vadiko sy ny namako ny zavatra ianarako eto.” Te hianatra koa ny injeniera roa hafa niasa teo, sy mpiambina iray ary sekretera roa. Tahin’i Jehovah tokoa ny fitadiavana fomba itoriana.

Tonga ny misionera vahiny

Misionera vahiny 69 no tonga tsikelikely mba hanampy tamin’ny asa fitoriana teto. Samihafa ny fanendrena azy ireo. Notendrena ho eny amin’ny saha i Denton Hopkinson sy Raymond Leach, tamin’ny voalohany, ary lasa mpiandraikitra mpitety faritany avy eo. Notendrena ho eto amin’ny biraon’ny sampana izy ireo tatỳ aoriana.

Maromaro ireo nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada tonga teto tamin’ireo taona 1970, mba hampianatra an’ireo rahalahy ny fomba vaovao fanontam-pirinty. Anisan’izany i Robert Pevy sy Patricia vadiny, izay nanompo tany Angletera sy Irlandy talohan’io. Nanampy koa i Robert rehefa nisy biraon’ny fanoratana natsangana teto. Nalahelo ny rehetra rehefa nandeha izy ireo tamin’ny 1981, mba hanompo any amin’ny foibe any Brooklyn, Etazonia.

Tonga teto tamin’ny 1980 i Dean sy Karen Jacek, avy any Etazonia. Nianatra vetivety ny teny tagalog tany Laguna izy ireo, ary notendrena hiasa teto amin’ny sampana. Nahazo fampiofanana fanampiny izy ireo tamin’ny 1983, ary nanampy ny rahalahy teto Philippines sy tany amin’ireo nosy hafa hianatra an’ilay programana ordinatera namboarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena ilaina io programa io mba hanontana boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fitenin’ny olona.

Tonga teto tamin’ny 1988 i Hubertus (Bert) sy Jeanine Hoefnagels, avy any Holandy. Efa hanomboka fanorenana lehibe ny sampana tamin’izay. Efa zatra nanorina sampana izy mivady, ary nahay nitondra fiara vaventy i Bert, ka notendrena hanampy tamin’ilay fanorenana izy ireo. Nitondra an’ireo fiara vaventy i Bert, sady nampiofana rahalahy hafa. Hoy izy: “Vao nanomboka dia efa nampiofana an’ireo rahalahy aho mba hitondra kamiao, lapelina mekanika, bolidaozera sy ny toy izany. Olona 20 na 25 tamin’ny farany no nahay an’ilay asa.”

Nisy efatra tamin’ireo nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada koa nanampy azy ireo, dia i Peter sy Beate Vehlen avy any Alemaina, Gary sy Teresa Jeane Melton avy any Etazonia. Efa nandray anjara tamin’ny fanorenana sampana ry Vehlen, ary efa nanompo dimy taona tany amin’ny Betelan’i Etazonia ry Melton. Samy afaka nanampy tamin’ny fanorenana ilay sampana izy ireo.

Efa nakatona tamin’ny 1963 ny tranon’ny misionera farany, satria efa nisy mpisava lalana mahay nisahana ny fanompoana. Nandefa misionera enina ho eny amin’ny saha ihany anefa ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 1991. Nahay ny asan’ny sampana izy ireo, nefa afaka nanampy betsaka teny amin’ny saha koa. Efa tamin’izy 18 taona, ohatra, no nanomboka ny asan’ny mpisava lalana manokana ny Anabavy Jeanine Hoefnagels. Afaka nampiasa ny traikefany sy ny toetrany sariaka izy izao, mba hampaherezana an’ireo rahalahy sy ireo vaovao. Izao koa ny tombontsoan’izy ireo, araka ny tenin’i Bert, vadiny: “Hitan’ny olona fa atao eran-tany ny asantsika, rehefa mahita misionera eny amin’ny saha izy ireo.” Mbola misy misionera manao asa birao sy asa hafa koa eto amin’ny sampana.

Nandefasana misionera vahiny ny teto Philippines, nefa nandefa misionera ho any an-tany hafa koa.

Misionera avy eto nalefa ho any an-tany hafa

Nisy misionera tonga foana teto Philippines. Nanomboka koa anefa ny fandefasana mpisava lalana avy eto mba ho misionera any an-tany hafa. Marina fa tsy nahazo fampiofanana toy ireo nahazo diplaoman’i Gileada izy ireny, nefa be dia be ny mpisava lalana nahay. Nandroso kokoa ny asa fanaovana mpianatra teto Philippines taorian’ny Ady Lehibe II, raha oharina amin’ireo tany nanodidina. Nisy mpisava lalana nahay avy teto nasaina ho misionera nanerana an’i Azia sy ireo nosin’i Pasifika, nanomboka tamin’ny 1964. Mpivady ny sasany taminy, fa mpisava lalana mpitovo ny ankamaroany, ary efa nanompo manontolo andro folo taona, fara fahakeliny. Nisy 149 no nalefa tany amin’ny tany 19, teo antenatenan’ny taona 2002. Mbola any amin’ny tany nanendrena azy ny 74 amin’ireo. Omena fampiofanana eto amin’ny sampana ireo misionera vaovao ireo, eo am-pikarakarana ny taratasiny. Hanampy azy any amin’ny tany anendrena azy izany. Inona no fanampiana efa nentin’izy ireo teo amin’ny fitoriana? Inona ny zava-tsarotra sy fifaliana hitan’izy ireo?

Voalohany nalefa ho misionera i Rose Cagungao (Engler ankehitriny) sy i Clara dela Cruz (Elauria ankehitriny). Nalefa tany Tailandy izy ireo. Nanampy azy ireo i Angelita Gavino, herintaona taorian’izay. Sarotra be tamin’izy ireo, toy ny tamin’ny misionera hafa, ny nianatra ilay fiteny. Hoy i Angelita: “Kivy aho tamin’ny voalohany, satria miolikolika toy ny ‘kankana’ ny fahitako ny soratra rehetra tao amin’ilay boky. Zara raha niresaka tamin’olona koa izahay tany am-pivoriana.” Nianatra mafy anefa izy ireo, ka nahay ihany, ary mbola mampiasa ilay fiteny mba hanampiana ny olona.

Nihamaro avy eo ny mpisava lalana nalefa tany amin’ny tany samihafa. Nasaina nankany Korea i Porferio sy Evangeline Jumuad, tamin’ny 1972. Nanjary nahay tsara an’ilay fiteny izy ireo, ka nasaina hitety faritany, rehefa afaka roa taona sy tapany.

Iray tamin’ireo anabavy sivy avy eto nalefa ho misionera tany Hong Kong, tamin’ny 1970, i Salvacion Regala (Aye ankehitriny). Ny fianarana teny kantôney no nanahirana azy voalohany. Misy karazam-peo sivy ny teny kantôney. Miova ny hevitry ny teny, rehefa miova ny feo anononana azy. Nanahirana an’i Salvacion izany, tamin’ny voalohany. Nilaza tamin’ilay olona nampianariny Baiboly izy indray mandeha fa nifindra trano izy, “satria misy matoatoa” ilay trano. Ny tiany holazaina anefa dia hoe nifindra trano izy “satria lafo be ny hofany.” Hainy ihany ilay fiteny tamin’ny farany. Nanampy olona 20 mahery hianatra ny fahamarinana izy. Maro ny Indonezianina mpiasa an-trano any Hong Kong, ka mianatra ny teny indonezianina indray izao i Salvacion mba hanampiana azy ireny.

Hafa noho izany kosa ny zavatra hitan’i Rodolfo Asong, tany Papouasie-Nouvelle-Guinée tamin’ny 1979. Rahalahy hentitra izy, nefa sariaka. Nilofo nianatra ilay fiteny izy, ary vetivety dia tena nahay, ka nirahina hitety faritany. Tsy nitovy anefa ny fitsidihana fiangonana teto Philippines sy tany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Hoy izy: “Nianarako ny nivoy lakana hazo kely teo am-pitsanganana, toy ny ataon’ny mponina eto.”

Hoy i Rodolfo momba ireo fivoriambe: “Lavitra ireo toerana, nefa tsy nisy fitaterana, ka nozarazaraina ireo fivoriambe. Ilay tao amin’ny tanànan’i Larimea no kely indrindra natrehiko, satria folo ny mpanatrika.” Notendrena ho mpiandraikitra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao amin’ny tanànan’i Agi i Rodolfo, indray mandeha. Hoy izy: “Notendrena ho mpitari-draharahan’ny fivoriambe koa aho, sady hiandraikitra ny fanamafisam-peo, ny sakafo, ny fampisehoana tantara, ary hilalao ny anjaran’i Davida Mpanjaka.” Niezaka mafy izy nanao ny asa misionera tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary nirahina ho misionera tany amin’ireo Nosy Salomon, tatỳ aoriana.

Rahalahy tsy sarotiny avy any Luçon i Arturo Villasin. Nirahina ho any amin’ireo Nosy Salomon izy, tamin’ny 1982. Mpiandraikitra ny faritra izy tany, ary hafa noho ny teto Philippines ny zavatra niainany tany. Fiaramanidina kely no tsy maintsy nandehanany tany amin’ny nosy maro. Hoy izy: “Nianjera ny fiaramanidinay indray andro, nefa tsy nisy naninona izahay. Saika nandona tendrombohitra koa izahay, indray mandeha, satria nanjavozavo ny andro.” Hoy kosa izy momba ny fitsidihana fiangonana sasany: “Namakivaky ala mikitroka izahay, ary nihanika havoana nideza sy be fotaka, mba hitsidihana fiangonana tany amin’ny faritanin’ireo olona mpivavaka amin’ny razany.” Narary i Arturo ary maty tampoka tamin’ny 2001, nefa tsy hadino na oviana na oviana ny fahatokiany.

Be dia be ny tantara toy izany momba ny rahalahy sy anabavy avy eto nirahina ho misionera atỳ Azia sy Pasifika. Nanampy be dia be tamin’ny asa fitoriana ireny mpanompon’i Jehovah nazoto sy be fandavan-tena ireny, na maro aza ny olana hitany.

Mahafaly ny manampy olona hanao an’i Jehovah ho fiarovana mafy ho azy

Ny fitahian’i Jehovah no mahafaly. (Ohab. 10:22) Hoy i Adelieda Caletena, nirahina tany Taïwan tamin’ny 1974: “Faly be aho, sady misaotra an’i Jehovah, satria tahiny ny asanay eto ary navelany handray anjara amin’izany aho.”

Hoy i Paul sy Marina Tabunigao, manompo any amin’ireo Nosy Marshall: “Nanampy olona 72 ho tonga mpanompon’i Jehovah izahay. Faly izahay, satria maro amin’izy ireo no lasa anti-panahy, mpanampy amin’ny fanompoana, mpisava lalana manokana, mpisava lalana maharitra, ary mpitory marisika.”

Nanampy olona 84 hanolo-tena sy hatao batisa i Lydia Pamplona, any Papouasie-Nouvelle-Guinée, nanomboka tamin’ny 1980. Vao haingana izy no nilaza fa manana fampianarana 16, ary efa mivory ny ankamaroany. Milaza ny fihetseham-pon’ny misionera maro izao teniny izao: “Misaotra an’i Jehovah aho noho ilay fanompoana asainy hataoko. Enga anie hotahiny hatrany ny fanompoantsika, mba hanomezam-boninahitra azy.”

Mankasitraka ny asan’ireo misionera avy eto Philippines koa ireo sampana nanirahana azy. Hoy ny sampan’i Tailandy: “Miasa tsara ireo misionera avy any Philippines. Nahatoky nandritra ny taona maro izy ireo, ka tena ohatra tsara. Tsy miala amin’ny asany izy ireo, na dia efa mandroso taona aza. Tia ny tany sy ny mponina eto izy ireo, ary tena tamana. Misaotra betsaka anareo izahay nandefa an’ireo misionera mahafinaritra ireo.”

Mampiofana anti-panahy ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana

Nisy mpisava lalana avy eto Philippines, araka izany, lasa misionera any an-tany hafa. Nihabetsaka koa anefa ny rahalahy mahay, ka nampiofanin’ny fandaminan’i Jehovah mba hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana no anisan’ny fomba anaovana izany.

Natao tamin’ny 1961 ireo kilasy voalohany, ary naharitra iray volana avy. Notendrena hampianatra tao amin’io sekoly io teto Philippines i Jack Redford, mpampianatra tany Gileada ary misionera tany Vietnam avy eo. Natao teto amin’ny sampana tamin’ny teny anglisy ilay kilasy voalohany.

Nahay teny anglisy ny sasany, nefa nojerena foana izay hahasoa ireo rahalahy mampiasa fiteny hafa. Anti-panahy maro no handray soa kokoa, raha atao amin’ny fiteniny ilay fianarana. Natao tamin’ny fiteny maromaro àry ilay izy tatỳ aoriana. Tadidin’i Cornelio Cañete ny nanendrena azy hampianatra tany amin’ireo Nosy Visayas sy tany Mindanao. Mihomehy izy mitantara hoe: “Natao tamin’ny fiteny telo ilay fianarana: cebuano sy hiligaynon ary samar-leyte.”

Nasiana fanitsiana hatrany ilay sekoly, ka anisan’izany ny faharetany. Vao haingana izay, dia natao nandritra ny faran’ny herinandro ilay izy, ka iray andro sy tapany ho an’ny anti-panahy, ary iray andro ho an’ny mpanampy amin’ny fanompoana. Mbola sarotra ihany anefa ny mitarika azy io amin’ny fiteny valo. Anti-panahy avy eto amin’ny Betela, izay mahay ireo fiteny ireo, no irahina hitarika sekoly fampiofanana an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Ireo mpiandraikitra kosa no mitarika ilay sekoly ho an’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Nisy anti-panahy 13 000 sy mpanampy amin’ny fanompoana 8 000 nandray soa tamin’ilay sekoly farany natao.

Fanampiana ny mpisava lalana

Nahazo fampiofanana koa ny mpisava lalana, tatỳ aoriana. Natao tamin’ny 1978 ireo kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Nanatrika azy io ny mpisava lalana rehetra tamin’izany fotoana izany, anisan’izany ny mpisava lalana manokana. Natao isan-taona io sekoly io nanomboka tamin’izay, afa-tsy tamin’ny 1979 sy 1981.

Tena nahasoa an’ireo mpisava lalana ilay sekoly, nefa sarotra tamin’izy ireo ny nanatrika azy io. Nandany vola be ny sasany mba hanatrehana azy io, fa ny hafa kosa sahirana vao nahita fitaterana.

Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga tamin’ireo nanatrika an’ilay sekoly tany Santiago. Hoy i Rodolfo de Vera, mpiandraikitra ny faritra: “Namely tampoka an’i Santiago, any Isabela, ny rivo-doza iray nahatratra 205 kilaometatra isan’ora, tamin’ny 19 Oktobra 1989. Nanorana kely sy nisy rivotra ihany tamin’io maraina io, rehefa nanomboka ilay sekoly tao amin’ny Efitrano Fanjakana izahay. Nihamafy anefa ilay rivotra, ka nanomboka nihovotrovotra ilay trano. Lasan’ny rivotra ny tafo. Saika hivoaka izahay, nefa nampidi-doza kokoa tany ivelany, satria feno zavatra nanidintsidina.” Nanomboka ho rava ilay trano, nefa tsy nisy naninona izy rehetra. Nilaza izy ireo fa ny fiarovan’i Jehovah sy ny torohevitry ny Mifohaza! no mbola nahavelona azy ireo. Nilaza mantsy io gazety io fa ao ambany latabatra no tokony hiafenana, rehefa misy zavatra toy ireny. Hoy ny Rahalahy de Vera: “Niafina tao ambany latabatra izahay. Feno rantsankazo sy fanitso nanodidina anay, rehefa lasa ilay rivo-doza, fa tsy naninona mihitsy ireo niafina tao ambany latabatra.”

Atao amin’ny fiteny fito ilay sekoly isan-taona. Efa nisy kilasy 2 787 natao hatramin’ny taom-panompoana 2002, ary 46 650 ny mpisava lalana nanatrika azy io hatramin’izay. Tena nanampy an’ireo mpisava lalana ilay sekoly mba hampitombo ny fahaizany sy hitoky tanteraka amin’i Jehovah, ka nahafahany nanohy ny asan’ny ‘mpanazava eo amin’izao tontolo izao’!—Fil. 2:15.

Fampiasana voalohany ny fanontam-pirinty offset

Ho sarotra ny asa eny amin’ny saha sy eo anivon’ny fiangonana, raha tsy eo ireo boky sy gazety ara-baiboly. Natao pirinty tany Brooklyn ny zavatra nilain’i Philippines taloha. Nisy trano fanontam-pirinty naorina anefa, teo am-piandohan’ireo taona 1970, teo amin’ny tany nisy ny biraon’ny sampana, teto Quezon City. Nisy milina fanontam-pirinty nampiasana lohavỳ, toy ny nampiasaina tany Brooklyn, napetraka tao. Teto Philippines ihany àry no natao pirinty ny gazety rehetra, nanomboka tamin’izay.

Hita tamin’ireo taona 1970 fa nanomboka tsy nampiasain’ny mpanao pirinty intsony ny lohavỳ, fa ny offset indray no tena fampiasa. Nilaza ny foibe fa tokony hanaraka izany tsikelikely koa izahay.

Nividy fitaovana maoderina ny sampana tamin’ny 1980, mba hamoahana ireo pejy hatao pirinty. Efa nahazo milina toy io ny sampan’i Afrika Atsimo, ka afaka nanampy an’ireo rahalahy teto Philippines. Nampiasaina niaraka tamin’io ny milina fanontam-pirinty offset kely novidina tokotokony ho tamin’io fotoana io.

Nahitan’ireo rahalahy ny fomba fampiasa ny fanontam-pirinty offset ny fampiasana io milina kely io. Nianatra ny fomba fampiasa fitaovana famoahana ny pejy hatao pirinty i David Namoca, izay efa za-draharaha tamin’ny fanontam-pirinty ampiasana lohavỳ. Ny rahalahy sasany kosa nianatra ny fomba fanomanana ny takela-by ampiasaina amin’ilay offset vao novidina sy ny fanaovana pirinty tamin’izy io. Efa nampiasa offset àry ny sampana, tamin’ny faran’ny 1980, mba hanaovana pirinty Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana sasany sy gazety tamin’ny fiteny vitsy mpampiasa.

Nanomboka nampiasa ordinatera koa ireo rahalahy mpandika teny sy mpanomana pejy hatao pirinty, vokatr’io fanovana ny fanontam-pirinty io. Nihazatra sy nihanatoky tena ireo rahalahy. Nihatsara sy nihabetsaka ireo zavatra natao pirinty nampiasana ireo fomba vaovao ireo, rehefa nandeha ny fotoana. Efa tena te handroso ireo rahalahy, tamin’ny 1982, ka nanao pirinty ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 31 tamin’ny milina offset. Misy loko efatra io taratasy mivalona io, nefa milina offset tsy mampiasa afa-tsy loko iray no nampiasain’izy ireo. Naverina inenina tao amin’ilay milina ny taratasy, ka inefatra mba hanaovana ireo pejy miloko, ary indroa kosa ho an’ireo pejy nisy loko roa. Asa be izany, ary tsy dia tena tsara loatra ny zava-bita. Faly anefa ny rehetra nahita Vaovao Momba Ilay Fanjakana niloko efatra, natao teo amin’ny fitaovantsika.

Nanampy be dia be izany dingana voalohany izany. Ahoana anefa no hifindrana tanteraka ho amin’ny fampiasana ordinatera hamoahana ny pejy hatao pirinty amin’ny offset? Nisy zavatra noeritreretin’ny fandaminan’i Jehovah, ka tsy ela dia nandray soa tamin’izany koa ny sampan’i Philippines.

Nanome ny MEPS ny fandaminan’i Jehovah

Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hamoronana programana ordinatera hamoahana ireo pejy hatao pirinty, mba hahafahana hanaparitaka ny vaovao tsara amin’ny fiteny maro be. Natao tany Brooklyn àry ny Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro (hafohezina hoe MEPS). Afaka nampiasa ordinatera sy milina fanontam-pirinty offset ny sampana, rehefa nividy ireo fitaovana vaovao. Ny MEPS kosa no nahafahana nandroso kokoa tamin’io lafiny io, niaraka tamin’ny sampana hafa eran-tany.

Nisy mpivady roa avy teto Philippines nasaina ho any Wallkill, any New York. Nampiofanina ireo rahalahy mba hikojakoja ordinatera sy hampiasa ny programa MEPS fanomanana ireo pejy hatao pirinty. Nankany Brooklyn kosa i Florizel Nuico mivady, ka tany ny Rahalahy Nuico no nianatra nampiasa ny milina offset M.A.N. Izany indrindra no nilain’ny sampan’i Philippines, mba hampiasana tanteraka ordinatera hanomanana ny zavatra hatao pirinty, sy hanaovana pirinty amin’ny offset.

Nisy milina offset M.A.N. tonga teto Philippines tamin’ny 1983. Nanampy an’ireo rahalahy hanangana azy io i Lionel Dingle, avy any amin’ny sampan’i Aostralia. Nampianarin’ny Rahalahy Nuico an’ireo rahalahy avy teto ny zavatra nianarany tany Brooklyn. Tamin’ny 1983 no nivoaka tamin’io milina io ireo gazety voalohany. Mbola tsy tena nandeha tsara anefa izy io, ka nisy fotoana mbola nampiarahana azy io tamin’ny fanontam-pirinty ampiasana lohavỳ.

Tsy ela anefa dia niasa tamin’ny fomba feno izy io. Tonga tamin’ny faran’ny 1983 ny ordinatera MEPS voalohany, ka nanomboka nampianatra rahalahy hafa hampiasa sy hikojakoja ny fitaovana MEPS ireo rahalahy roa niofana tany Wallkill. Tsy ela dia niasa tsara ireo fitaovana. Betelita maro no nampianarina tsara hampiasa ilay programa mba handikan-teny, hanoratana lahatsoratra, hanamboarana ny fisehon’ny soratra sy sary, ary hanamboatra ordinatera. Sarotra ny fampiofanana teto Philippines, satria maro be ny fiteny ampiasaina eto. Ny Tilikambo Fiambenana fotsiny dia efa atao pirinty amin’ny fiteny fito, ka tsy anisan’izany ny teny anglisy. Natao ho amin’izany indrindra ny MEPS.

Tena nihatsara ireo zavatra natao pirinty. Hoy i Cesar Castellano, momba ireo mpanao pirinty toa azy: “Tantsaha ny ankamaroan’ireo rahalahy, ary tsy nahay zavatra teknika mihitsy ny sasany taminy. Mahagaga anefa ny fomba ampirisihan’ny fanahin’i Jehovah azy ireo, mba ho afaka hanao zavatra be dia be, anisan’izany ny fanontam-pirinty.” Nianatra ireo rahalahy, ary nihatsara hatrany ny endriky ny zavatra natao pirinty tonga tany amin’ny mpitory. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny soa ara-panahy naterak’ireny fandrosoana ara-teknika ireny.

Sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mitovy

Enim-bolana taorian’ny nivoahan’ny teny anglisy vao nivoaka ny gazetin’i Philippines taloha, rehefa natao pirinty tany Brooklyn. Nadika teto ihany izy ireny, nefa naka fotoana be ny fivezivezen’ireo zavatra voadika sy ny fandefasana ireo gazety vita pirinty. Nitsitsy fotoana ny fanontana ireo gazety teto Philippines nanomboka tamin’ireo taona 1970, nefa enim-bolana taorian’ny anglisy ihany izy ireny vao nivoaka. Maro ireo rahalahy teto no nieritreritra hoe: ‘Tsy mba hahafinaritra ve raha miara-mivoaka amin’ny anglisy ny gazetintsika?’ Nofinofy ihany izany, nandritra ny taona maro.

Tanteraka anefa ilay nofinofy, rehefa tonga ny MEPS ary narahina ilay fomba fiasa vaovao. Takatry ny Filan-kevi-pitantanana fa hampiray saina kokoa ny vahoakan’i Jehovah ny fianarana zavatra mitovy amin’ny fotoana mitovy. Niezahana notratrarina izany zava-kendrena izany, ka niara-nivoaka tamin’ny anglisy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny cebuano, hiligaynon, iloko, ary tagalog, nanomboka tamin’ny Janoary 1986. Nisy fiteny hafa koa nanaraka an’ireo. Tsy nampoizina koa avy eo fa niara-nivoaka tamin’ny teny anglisy ilay boky hoe Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, tamin’ny fiteny telo teto Philippines, tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1988! Faly ireo rahalahy, satria tsy vitan’ny hoe tsara kokoa ireo boky sy gazety atolotra ny olona liana, fa mandray sakafo ara-panahy mitovy, amin’ny fotoana mitovy amin’ny an’ny ankamaroan’ny rahalahiny eran-tany koa, izy ireo.

Nisy korontana tamin’ny toerana sasany teto Philippines, nandritra izany fanatsarana ny fanontam-pirinty izany. Nohamafisin’ireo boky sy gazety fa ilaina hatrany ny manao an’i Jehovah ho fiarovana antsika.

Adin’ny miaramila sy ny mpikomy

Nihamafy ny fihetsiketsehan’ireo mpikomy tany amin’ny faritra maro teto Philippines, nandritra ireo taona 1980. Nisy niaraka tamin’ny Kominista. Nanjary fahita ny adin’ny tafi-panjakana sy ny mpikomy. Nisedra ny fitokisan’ireo rahalahy tamin’i Jehovah izany matetika.

Nisy mpitory 62 tao amin’ny fiangonana iray tamin’ny faritra iray. Hitan’izy ireo, rehefa nifoha izy, fa efa niomana hiady ny tafi-panjakana sy ny mpikomy, ary latsaka teo afovoany izy ireo. Nisy anti-panahy iray nanatona an’ireo mpikomy, ary nisy iray hafa nanatona ny tafi-panjakana. Niangavy ny andaniny sy ny ankilany izy ireo mba tsy hiady teo, satria maro ny sivily mety ho faty amin’izany. Tsy nekena ny fiangavian’izy ireo. Tsy afaka nandositra ireo rahalahy tao an-tanàna, ka nankao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nivavaka ny anti-panahy iray, ary sady lava io vavaka io no mafy be, ka ren’ny tafi-panjakana tao ivelany. Efa tsy teo intsony ireo miaramila sy mpikomy saika hiady, rehefa tapitra ilay vavaka. Nino mafy ireo rahalahy ireo fa i Jehovah no niaro azy.

Mpiandraikitra mpitety faritany efa hatramin’ny 16 taona mahery i Dionisio Carpentero. Mbola tsaroany ny zava-nitranga tamin’ny taona voalohany naha mpiandraikitra ny faritra azy. Tany Negros Oriental, any atsimo afovoan’i Philippines ilay tantara. Hoy i Dionisio: “Nitsidika ny Fiangonana Linantuyan izahay mivady. Faly izahay, satria nisy mpitory 40 niara-nitory taminay ny alarobia. Tsy fantatray anefa fa nandinika izay rehetra nataonay ny tafika mpikomy. Teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana ny fiafenan’izy ireo. Tonga tao an-tranonay ny efatra taminy, tamin’ny efatra ora hariva, mba hanontany ny momba anay. Nohazavain’ny anti-panahy iray fa mpiandraikitra ny faritra aho, ka mitsidika ny fiangonan’izy ireo isaky ny enim-bolana.”

Toa tsy nino izany izy ireo. Noheverin’izy ireo fa miaramila i Dionisio, ka nasainy navoakan’ireo anti-panahy, mba hovonoiny. Nanazava ilay anti-panahy fa tsy maintsy izy aloha no hovonoina alohan’ilay mpiandraikitra. Lasa ireo miaramila mpikomy.

Hoy i Dionisio: “Nivovò foana ny alika tamin’ny alina, satria mbola tao akaiky tao ireo mpikomy. Nivavaka inefatra izahay tamin’io alina io, mba hitarihan’i Jehovah anay. Avy be ny orana, na dia tsy fotoanan’ny orana aza tamin’izay. Lasa ireo lehilahy saika hamono anay.”

Nilaza tamin’ireo anti-panahy i Dionisio, rehefa vita ny fivoriana alahady, fa handeha hitsidika ny fiangonana manaraka izy mivady. Tsy maintsy nandalo ny trano fiafenan’ireo mpikomy anefa izy ireo. “Nitsirika teo am-baravarankely ny iray tamin’ireo miaramila”, hoy i Dionisio. “Nolazainay taminy mihitsy fa lasa izahay. Mbola nitady anay tao amin’ny Efitrano Fanjakana anefa ireo mpikomy, tamin’ny valo ora alina. Nolazain’ireo anti-panahy tamin’izy ireo fa efa lasa izahay ary nandalo teo amin’ny fiafenan’izy ireo mihitsy. Nahagaga fa tsy hitan’izy ireo izahay. Hitanay tamin’izany fa tokony hitoky amin’i Jehovah isika, ka tsy hatahotra, rehefa miatrika zava-tsarotra.” Faly manohy ny fanompoany miaraka amin’ny vadiny i Dionisio.

Nanasarotra ny fitoriana indraindray ireny ady ireny. Nety ho latsaka ampovoan’ireo mpiady ianao, raha sendra teo amin’ny toerana nisy fifampitifirana. Nampahafantatra ny amin’ny ady hitranga anefa ny andaniny na ny ankilany tamin’ireo mpiady, indraindray. Nifidy toerana nilamina kokoa hitoriana àry ireo rahalahy, mandra-pahatapitr’ilay fifampitifirana. Nitohy ihany ny asa fitoriana, ary nianatra nitoky tamin’i Jehovah ireo rahalahy.

Tsy momba ny atsy na ny aroa

Hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy ireo], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14) Toy ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tany hafa ihany ny teto Philippines, ka tsy niditra tamin’ny ady nitanam-piadiana sy adilahy politika. Tsy ‘nandray sabatra’ izy ireo, fa nametraka ny fiadiany kosa ka niezaka ho tia fihavanana, araka ny nampianarin’i Jehovah. (Matio 26:52; Isaia 2:4) Mahalala tsara izany ny olona, ka fantatry ny mpifanolana rehetra fa tsy mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy nasehon’ny mpanompon’i Jehovah mazava anefa indraindray ny tena toerana tanan’izy ireo. Niaro azy ireo izany.

Mpiandraikitra mpitety faritany i Wilfredo Arellano, ka mahafantatra tsara ny karazana faritany samihafa. Milamina ny faritany sasany, fa tsy milamina loatra ny hafa. Nitsidika fiangonana iray tany atsimo afovoanin’i Philippines izy, tamin’ny 1988. Noteren’ny mpikomy ireo rahalahy tao mba hiaraka taminy hikomy tamin’ny fanjakana. Nanda izany hatrany ireo rahalahy.

Mitantara toy izao i Wilfredo: “Teo amin’ny faritanin’ilay fiangonana ny tafi-panjakana, nandritra ny fitsidihako. Tian’izy ireo hanao milisy hiady tamin’ireo mpikomy ny mponina tao an-tanàna. Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana ireo rahalahy, ka nasaina nanazava ny antony tsy niarahany tamin’ny mpikomy, sady tsy niarahany tamin’ny milisim-panjakana. Tsy tia ny toerana notananay ny sasany tamin’ireo mpiray tanàna, fa nanaja anay kosa ny mpitondra tenin’ny fitondrana.”

Izao no nitranga taorian’izay, hoy ny Rahalahy Wilfredo: “Nifanena tamin’ny miaramila nirongo fiadiana ny rahalahy iray, teny an-dalana hody, rehefa avy nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana. Nisy gadra roa lahy nitampi-maso nentin’ireo miaramila. Nanontanian’izy ireo ilay rahalahy raha nanatrika ilay fivoriana niaraka tamin’ny mpitondra fanjakana izy. Namaly hoe eny ilay rahalahy. Nanontany indray ireo olona nirongo fiadiana raha niaraka tamin’ny milisy izy. Tsy nanao izany ilay rahalahy, ka nanazava fa tsy momba ny atsy na ny aroa izy. Navelan’izy ireo hody àry izy. Nandre poa-basy indroa ilay rahalahy, tsy ela taorian’izay, ka fantany fa notifirina ireo gadra roa lahy nitampi-maso.”

Nisy lalàna teto Philippines, tamin’ireo taona 1970 sy ny fiandohan’ireo taona 1980, nanery ny olona hifidy. Nogadraina izay tsy nanaraka izany. Afaka nampiseho ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah ny vahoakany, tamin’izany. Toy ny rahalahiny eran-tany ihany ny mpanompon’i Jehovah teto Philippines, ka tsy nitsabaka tamin’ny politika, sady “tsy naman’izao tontolo izao” hatrany.—Jaona 17:16.

Niova ny fitondrana, tamin’ny 1986, ka nohavaozina ny lalàm-panorenan’i Philippines. Nofoanana ilay lalàna nanery ny olona hifidy, ka tsy dia sahirana intsony ireo rahalahy. Nisy fitsapana hafa nanjo ny maro anefa, indrindra fa ny mpianatra.

“Tsy hianatra ady intsony”

Nihalehibe tany Luçon afovoany, any Pampanga, i Irene Garcia. Nahita zava-nanahirana toy ny tanora maro ankehitriny izy. Tsy maintsy nanao fiofanan’ny miaramila ireo mpianatry ny lise. Nanapa-kevitra anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah mpianatra fa tsy afaka handray anjara amin’ny taranja mampianatra ady izy ireo. Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah aloha i Irene. Noeritreretiny avy eo ny momba ireo tovolahy hebreo telo nahatoky, tamin’ny andron’i Daniela mpaminany, ary nandeha nanatona an’ilay lehiben’ny mpampiofana izy mba hangataka mba tsy hampanaovina an’ilay fampiofanana. (Dan. toko faha-3) Tsy tena azon’ilay miaramila tsara ny toerana tanan’i Irene, nefa nisaotra azy noho ilay fanazavana izy. Nampitandrina anefa ilay miaramila fa ho ratsy ny naotin’i Irene, raha tsy nandray anjara tamin’ilay fampiofanana izy. Hoy i Irene: “Tsy maninona, fa hiezaka mafy fotsiny aho amin’ny taranja hafa.” Nasaina nanao zavatra hafa izy, ho solon’ilay fampiofanana. Hoy izy: “Vokatr’izany dia tsy sahirana intsony ireo zanaka Vavolombelona hafa, rehefa nangataka tsy hanao ilay fiofanana, ary mbola anisan’ireo folo voalohany ihany aho.”

Tsy toy izany daholo anefa ny lehiben’ny mpampiofana. Nisy nanakantsakana ny mpianatra tsy ho afa-panadinana. Izao anefa no zavatra lehibe nianaran’ny tanora an’arivo, rehefa nanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana izy ireo: Miaro sy mitahy i Jehovah, rehefa miandany amin’ny Fanjakany sy tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ity tontolo ity mihitsy ny mpanompony.—Ohab. 29:25.

Nitombo ny isan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra

Andeha hojerentsika izao ireo fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah. Fotoana mahafinaritra foana izy ireny. Vitsivitsy ny mpanatrika fivoriambe talohan’ny Ady Lehibe II, satria vitsy ny Vavolombelona. Niezahana foana anefa ny hanaovana azy ireny mba hampaherezana an’ireo rahalahy. Milaza tokoa ny Diary 1941 fa nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao teto Manille, tamin’ny Martsa 1940.

Tsaroanareo angamba fa nogadrain’ny Japoney i Joseph dos Santos. Nafahan’ny tafika amerikanina izy, tamin’ny fiandohan’ny 1945. Ny hahasoa an’ireo rahalahy tamin’ny lafiny ara-panahy no nahaliana azy, satria maro tamin’izy ireo no mbola vaovao. Natao izay hahaizan’izy ireo mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly, tamin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-trano. Anisan’izany fomba izany ny fivoriambe tany Lingayen, any Pangasinan, tamin’ny faramparan’ny 1945. Nisy 4 000 teo ho eo ny mpanatrika, ka hita amin’izany fa maro ny olona liana. Tena nahafinaritra tokoa ilay izy, satria efa tapitra ny ady!

Nitombo foana ny mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, nanomboka tamin’io, satria nitombo koa ny mpitory. Nisy 39 652 ny mpanatrika, 17 taona taorian’io. Natao tamin’ny toerana fito ireo fivoriambe, fa tsy toerana iray intsony. Maherin’ny 100 000 ny mpanatrika fivoriambe, 15 taona taorian’izay (1977). Efa 20 indray ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra natao teto Philippines tamin’izay. Maherin’ny 200 000 indray ny mpanatrika, valo taona taorian’izay, ary nihoatra ny 300 000 mihitsy tamin’ny 1997. Fivoriambe 63 kosa no nomanina tamin’ny taona 2002, ka izany no be indrindra hatramin’izay. Sarotra sy mandany vola indraindray ny manao dia manerana ireo nosy. Tsy mandeha lavitra ireo rahalahy ka mora aminy ny manatrika fivoriambe, raha misy fivoriambe maromaro, ka atao eny akaikiny ny sasany. Maro kokoa àry no mandray ireny sakafo ara-panahy tondraka ireny.

Tahin’i Jehovah ireo miezaka hanatrika fivoriambe

Tsy mora ny nanatrika fivoriambe. Nisy rahalahy nandeha tamin’ny zahatra roa, tamin’ny 1947. Namakivaky ny Reniranon’i Abra izy ireo, mba hanatrehana fivoriamben’ny faritra tany Vigan, tanàna amoron-tsiraka. Noravany ireo zahatra, rehefa tonga izy ireo, ka namidiny ny hazo mba handoavana ny saran’ny taxi-brousse hitondra azy ireo hody tany an-tendrombohitra, taorian’ny fivoriambe. Nitondra vary tamin’ny gony, kitay, ary kidoro izy ireo, niaraka tamin’ny zanany maro be. Nitsikitsiky foana koa izy ireo, ary nihafaly hatrany, rehefa nandeha ilay fivoriambe. Efa teo daholo ny vary, kitay, fatam-pera, ary tsihy hatoriana, ka ampy ny zavatra nilain’izy ireo.

Nisy mpitory maromaro avy tany amin’ny Fiangonana Caburan, any atsimon’i Philippines, nandeha nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’ny 1983. Nandeha an-tongotra telo andro tany an-tendrombohitra izy ireo, mba hahatongavana teo amin’ny toerana fandraisana sambo. Nandeha sambo nandritra ny iray andro indray izy ireo vao tonga tany amin’ny fivoriambe. Tsy nanenina izy ireo nanao izany ezaka izany, satria nahafinaritra ny fiarahana tamin’ireo rahalahy, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Tafaray Noho Ilay Fanjakana.”

Nisy fianakaviana misy ankizy roa, izay roa taona sy efa-taona, nandeha an-tongotra 70 kilaometatra teo ho eo, avy tany El Nido, any Palawan, mba hanatrehana fivoriamben’ny faritra, tamin’ny 1989. Namakivaky ala tsy misy lalana izy ireo nandritra ny roa andro ary nipetahan’ny dinta, teny am-pandehanana. Avy foana koa ny orana nandritra ireo roa andro ireo. Nisy renirano maro tsy maintsy niampitana, nefa tsy nisy tetezana. Tonga soa aman-tsara ihany anefa izy efa-mianaka, ary tena faly niaraka tamin’ireo rahalahy!

Sahirana ara-bola ny fianakaviana any amin’ny faritra hafa, ka sarotra aminy ny manatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Izany no nanjo an’i Ramon Rodriguez, tamin’ny 1984. Mipetraka any amin’ny Nosy Polillo, any atsinanan’i Luçon, izy sy ny fianakaviany, ary mpanarato izy. Herinandro sisa dia ho tonga ny fivoriambe, nefa vola handehanan’olona iray monja no nananan’izy fito mianaka. Noresahin’izy ireo tamin’i Jehovah izany, ary lasa nanarato i Ramon sy ny zanany lahy 12 taona. Nanarato tany an-dranomasina izy ireo, nefa tsy nahazo mihitsy. Nilaza avy eo ilay zanany hoe tokony hanarato akaiky kokoa ny morontsiraka izy ireo, ka dia nataon’izy ireo izany. Hoy i Ramon: “Tena feno ny haratonay, fa tsy araka ny nanampoizanay azy. Tena betsaka ny trondro ka feno ilay lakana.” Maherin’ny 500 kilao ny trondro azon’izy ireo! Namidin’izy ireo izany, ka nihoatra noho izay nilain’izy mianakavy hanatrehana fivoriambe ny vola azony.

Nanarato teo amin’io toerana io koa ny rahalahy hafa te hanatrika ilay fivoriambe, ny ampitso alin’iny, ka nahazo trondro 100 kilao. Hoy i Ramon: “Gaga ireo mpanarato tsy Vavolombelona, satria mba niara-nanarato tamin’ireo rahalahy koa ry zareo, nefa tsy nahazo na trondro iray aza. Hoy izy ireo: ‘Notahin’ny Andriamaniny ry zareo, satria handeha hanatrika fivoriambe.’ ” Matetika ireo fianakaviana Vavolombelona no nahita fa mahazo fitahian’i Jehovah sady faly izy ireo, rehefa mametraka ny zavatra ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany, sy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony.

Fivoriambe niavaka

Faly ny vahoakan’i Jehovah eran-tany rehefa mahatsiaro ireo fivoriambe natrehiny. Toy izany koa ireo rahalahy eto Philippines. Ankasitrahana daholo ny fivoriambe rehetra, nefa niavaka ny sasany, sady nanohina kokoa ny fo sy ny saina. Anisan’izany ny fivoriambe iraisam-pirenena, na ny fivoriambe nisy an’ireo misionera nitsidika ny taniny, sy nitantara ny fiainany tamin’ny mpanatrika.

Efa noresahintsika fa maro ireo rahalahy sy anabavy avy eto no misionera atỳ amin’ny tany sy nosy aziatika maro. Manome vola indraindray ireo Vavolombelona eran-tany, mba hanampiana ny misionera hanatrika fivoriambe any amin’ny taniny. Anisan’ny nanehoana izany fitiavana izany ireo misionera avy eto Philippines. Maro taminy no nahazo io fanampiana io tamin’ny 1983, 1988, 1993, ary 1998, ka afaka nanketo Philippines mba hanatrika fivoriambe niaraka tamin’ny havana aman-tsakaizany. Voalaza fa misionera 54, nanompo tany amin’ny tany 12, no nanatrika ilay fivoriambe tamin’ny 1988. Efa nanompo manontolo andro 24 taona teo ho eo avy izy ireo tamin’izany. Faly ny mpanatrika fivoriambe nandre azy ireo nitantara ny fiainany.

Ny zavatra tsaroan’ny sasany amin’ireo fivoriambe dia ireo zava-nitranga nandritra izany, sy ny fahatapahan-kevitr’ireo mpanatrika handresy vato misakana. Ohatra: Nisy rivo-doza nahatratra 150 kilaometatra isan’ora namely an’i Surigao, any Mindanao, taloha kelin’ilay fivoriambe “Fiadanan’Andriamanitra”, tamin’ny 1986. Simba be ny tafon’ilay kianja saika hanaovana fivoriambe. Tapaka ny jiro tao amin’ilay tanàna, ary tsy niverina raha tsy tapitra ny fivoriambe. Tsy maintsy nantsaka rano tany amin’ny enina kilaometatra ireo rahalahy, nefa tsy nahasakana azy tsy hanao ilay fivoriambe izany. Nalain’izy ireo ny sisan-javatra tsy simba tamin’ilay lampihazo, ka nanamboarany lampihazo hafa tao amin’ny kianja nitafo teo akaiky teo. Nanofa milina manome herin’aratra izy ireo, mba handefasana jiro sy fanamafisam-peo ary vata fampangatsiahana ho an’ny mpahandro sakafo. Olona 5 000 no nantenaina hanatrika, kanjo 9 932 no tonga! Tsy nahasakana an’ireo Kristianina ireo ny andro ratsy.

Tsy hay hadinoina indrindra ireo fivoriambe iraisam-pirenena. Nandamina fivoriambe toy izany teto Manille ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 1991 sy 1993. Nahafinaritra an’ireo mponina teo amin’ilay tanàna ireo mpanatrika fivoriambe. Tsy hanam-bola handehanana any an-tany hafa mihitsy ny ankamaroan’ ireo rahalahy avy teto, ka nampahery azy ireo ny fifaneraserana tamin’ireo vahiny! (Rom. 1:12) Nanohina ny fon’ireo rahalahy avy tany an-tany hafa koa ny fitiavana sy fahaiza-mandray vahiny nasehon’ireo rahalahy teto. Hoy ny mpivady iray avy any Etazonia: “Misaotra betsaka izahay, noho ny fandraisana tsara nataonareo. Tena noraisinareo an-tanan-droa izahay!”

Kianja telo teto Manille no nampiasaina tamin’ny 1993. Nampifandraisina an-telefaonina izy ireo, rehefa nisy rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nanao lahateny. Tena faly ireo mpanatrika, rehefa navoaka tamin’ny teny tagalog Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao! Hoy ny anabavy tanora iray: “Faly be aho, satria efa ela no niandrasako ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tagalog, ka azonay tampoka izy ity!”

Nisy zavatra niova tamin’ny 1998. Vao voalohany, taorian’ny 1958, no nasaina handefa solontena tany an-tany hafa i Philippines. Nisy 107 àry ireo nandeha nanatrika fivoriambe tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Etazonia. Nisy 35 hafa koa afaka nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena, tany Korea, tamin’ny Septambra. Sady nampianatra no nampiray ny vahoakan’i Jehovah ireny fivoriambe ireny, ary nanampy ny rehetra hiantehitra amin’i Jehovah.

Andeha isika izao hitodika any amin’ny asa eny amin’ny saha. Ahoana no itoriana amin’ireo fiteny maro be ampiasaina eto?

Fitoriana ny vaovao tsara amin’ny fiteny maro

Efa noresahintsika fa mora kokoa amin’ny olona ny mianatra fahamarinana amin’ny tenin-drazany. Sarotra ny manao izany eto Philippines, satria maro be ny fiteny eto. Niezaka foana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nitory sy namoaka boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny fiteny maro.

Mitory amin’ny olona mitovy fiteny aminy matetika ny mpitory. Vitsy anefa indraindray ny Vavolombelona mahay ny fiteny sasany, ka nisy mpitory sy mpisava lalana nianatra azy ireny. Nanahaka ny apostoly Paoly izy ireo, ka ‘tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.’—1 Kor. 9:22.

I Philippines no tany miteny anglisy fahefatra be mponina indrindra, nefa tsy ny teny anglisy no tenin-drazan’ny ankamaroan’ny mponina eto. Maro no tsy mahay mamaky teny anglisy tsara, ka ilain’ny mpitory ny boky sy gazety amin’ny fiteny maro fampiasa eto. Nandika boky tamin’ny fiteny 17, fara fahakeliny, ny Vavolombelon’i Jehovah. Bokikely iray na roa no misy amin’ny fiteny sasany, toy ny tausug, fitenin’ny Silamo any atsimo, na ny ibanag, fitenin’ny foko madinika any amin’ny farany avaratra. Mahazo sy miteny ny iray amin’ireo fiteny fito fampiasa indrindra ny ankamaroan’ny olona. Atao pirinty amin’ireo fiteny ireo Ny Tilikambo Fiambenana. Amin’ireo fiteny ireo àry no tena anaovana ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ny fivoriambe.

Nampirisika ny olona hampiasa ny teny pilipino ny fitondrana, tato ho ato. Kely ihany ny fahasamihafan’izy io amin’ny teny tagalog. Tsy ela dia hita ny vokatra tsara naterak’izany. Nihamaro ny olona miteny pilipino, sy ny boky amin’io fiteny io, nefa tsy niova na nihena mihitsy ny fampiasana ireo teny hafa. Hita amin’ny isan’ny Tilikambo Fiambenana atao pirinty izany. Nisy 29 667 ny gazety natao pirinty tamin’ny teny tagalog, tamin’ny 1980. Nanjary avo efatra heny izany, tamin’ny 2000, satria 125 100 isaky ny nomerao no natao pirinty. Tsy niova firy anefa ny isan’ireo gazety amin’ny teny anglisy, ary nitombo kely fotsiny ireo gazety amin’ny teny hafa.

Manohana ny asa fitoriana ny mpianakavin’ny Betela

Mpanompo manontolo andro 380 no manompo eto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Quezon City, eto Manille. Mandika ny boky sy gazety ho amin’ny fiteny eto an-toerana ny 69 amin’ireo. Vao haingana izy ireo no nahavita ny fandikana ny Soratra Hebreo amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny fiteny cebuano sy iloko ary tagalog. Efa hatramin’ny namoahana ny Soratra Grika tamin’ny 1993 no niandrasan’ireo rahalahy ny hahazoana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao feno. Tena faly àry izy ireo naharay azy io tamin’ny teny tagalog, tamin’ny fivoriambe 2000! Nivoaka tsy ela taorian’izay ny tamin’ny teny cebuano sy iloko. Olona ana hetsy eny amin’ny saha izao no mandray soa amin’io fandikan-tenin’ny Soratra Masina mazava sy marina io.

Samy hafa fiaviana ireo mpianakavin’ny Betelan’i Philippines, ary mampiasa fiteny 28. Maro aminy àry no afaka mandika boky sy gazety ara-baiboly. Iray amin’ny asan’ny Betela monja anefa ny fandikan-teny.

Manao asa samihafa ireo mpiasan’ny Betela, mba hanohanana ilay asa lehibe indrindra, dia ny fitoriana eny amin’ny saha. Manao pirinty gazety sy zavatra hafa ny rahalahy sasany. Manatitra azy ireny any amin’ny toerana maro eto Luçon ny hafa. Maro no manao asa ho an’ny mpianakavin’ny Betela: mahandro, manadio, ary mikojakoja fitaovana, sy ny sisa. Ny hafa tendrena hiasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ka mandray sy mandefa taratasy amin’ny fiteny maro, mba hanampiana ireo fiangonana sy mpiandraikitra mpitety faritany ary mpanompo manontolo andro eny amin’ny saha. Azonareo an-tsaina ny hamaroan’ny taratasy voaray avy amin’ireo fiangonana 3 500 manerana an’i Philippines!

Rahalahy iray monja no mpikarakara ny sampana, nanomboka tamin’ny nisian’izy io tamin’ny 1934, ka hatramin’ny 1975 tany ho any. I Earl Steward, misionera avy any Kanada, no mpikarakara ny sampana nandritra ny 13 taona, rehefa nody tany Hawaii i Joseph dos Santos. Nisy rahalahy roa niantsoroka izany andraikitra izany vetivety, taorian’izay. Notendrena ho mpikarakara ny sampana i Denton Hopkinson, tamin’ny 1966. Tamin’ny 1954 izy no tonga teto. Folo taona teo ho eo no niantsorohany izany andraikitra izany, mandra-panomboky ny fandaminan’i Jehovah fandaharana vaovao momba ny fiandraiketana sampana eran-tany.

Narahina ny toromarika nomena ny sampana eran-tany, tamin’ny Febroary 1976, ka tsy olona iray intsony no miandraikitra ny sampana, fa Komitin’ny Sampana. Miasa eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana ireo lehilahy mahafeno fepetra ireo, ary mandray fanapahan-kevitra mahakasika ny asa eny amin’ny saha sy ny biraon’ny sampana. Dimy ireo anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Philippines, tamin’ny voalohany. Misionera vahiny anefa ny ankamaroany, ka hita fa tsara kokoa raha maro kokoa ireo rahalahy avy eto Philippines. Nanjary fito àry ny rahalahy anisan’io komity io.

Hita haingana ny soa azo avy tamin’io fandaharana momba ny Komitin’ny Sampana io. Hoy i Denton Hopkinson, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana ankehitriny: “Hita ankehitriny fa tena fahendrena sady tonga ara-potoana ilay fiovana. Be dia be ny asa ary lehibe ny fandaminan’i Jehovah, ka tsy ho afaka hiantsoroka izany raha olona iray monja. Voazara tsara izao ireo andraikitra.”

Hoy ny Ohabolana 15:22: “Raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” Fahendrena foana ny manontany ny hevitry ny hafa. Ampiharin’ny Komitin’ny Sampan’i Philippines izany. Nitombo avo folo heny ny mpiasa sy ny asan’ny Betela, nanomboka tamin’ny nanendrena ny Rahalahy Hopkinson ho mpikarakara ny sampana. Dimy mirahalahy izao ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny, ary mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela izy ireo, sady efa nanompo manontolo andro nandritra ny 50 taona mahery avy. Tena nilaina tokoa ny traikefan’izy ireo, satria mandroso be ny asa eto Philippines, eo ambany fitarihan’i Jehovah. Sarobidy amin’ny Komitin’ny Sampana sy ny mpianakavin’ny Betela rehetra ny tombontsoany manohana an’io asa io.

Fitoriana amin’ny karazan’olona rehetra

Sitrapon’Andriamanitra ny hanaovana ny asa fitoriana, satria tiany ny karazan’olona ‘rehetra mba hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Tim. 2:4) Karazan’olona manao ahoana no nampian’ireo mpitory mafana fo nanerana an’i Philippines?

Mpiady amin’olona i Marlon. Ratsy laza teo an-tanàna izy, satria sady mpifoka, no mpigoka, no mpidoroka, no be naman-dratsy. Liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ny renin’i Marlon, rehefa nitorian’ny Vavolombelona. Namakivaky lalana be vovoka sy fotaka ireo mpisava lalana nampianatra an’ilay reniny. Tsy nahaliana an’i Marlon ilay fianarana, tamin’ny voalohany, fa nandalo tsindraindray teo fotsiny izy. Niresahan’ireo rahalahy nampianatra ny reniny anefa i Marlon. Tsy vitan’ny hoe nianatra izy, tatỳ aoriana, fa notapahiny koa ny volony lava hatreo amin’ny andilany, mba hahafahany hanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nandroso haingana izy, ary gaga ny olona nahita ny fiovany. Mpisava lalana i Marlon izao, ary mitory ny fahamarinana amin’ny olona. Inona no nahatonga azy hanaiky ny fahamarinana? Nolazainy fa ny faharetan’ireo mpisava lalana nampianatra ny reniny no nahatonga azy hino fa nanana ny fahamarinana izy ireo.

Misy karazan’olona toa tsy vonona hanaiky ny fahamarinana. Tsy tonga dia mitsara olona anefa ny mpitory ny vaovao tsara, fa miresaka amin’izy ireny foana aloha. Nitory tao amin’ny trano iray ny anabavy mpisava lalana manokana tany amin’ny nosy kelin’i Marinduque. Nanontany an’ilay olona izy avy eo sao nisy olon-kafa koa tao amin’ilay trano. Nilaza izy fa nisy olona tao ambony rihana, saingy “aza misahirana mankao, fa mahery setra sy mora tezitra ilay rangahy ao.” Noheverin’ilay mpisava lalana anefa fa tokony hiresahana ny hafatra momba ilay Fanjakana ihany ilay lehilahy. Toy ny hoe efa nandrasan’ilay lehilahy ilay anabavy, rehefa tonga teo am-baravarana. Nitsiky ilay anabavy, ary nilaza fa mampianatra Baiboly no anton-diany. Gaga be ilay anabavy, satria tena vonona hianatra ilay lehilahy. Nampianarina Baiboly àry io lehilahy antsoina hoe Carlos io, sy ny vadiny.

Noresahin’i Carlos tamin’ilay mpisava lalana, rehefa nihaona fanindroany izy ireo, fa nanan-java-nanahirana be izy mivady, ka efa nanandrana namono tena. Natehik’i Carlos teo amin’ny gorodona ny sofiny, mba hihainoany ilay resaka, rehefa nitory tao ambany rihana ilay mpisava lalana. Reny ilay olona tao nilaza tamin’ilay mpisava lalana hoe aza mandeha ao ambony. Rehefa ren’i Carlos izany, dia nivavaka izy mba tsy hiraharaha izany ilay mpisava lalana, fa handeha ao aminy ihany. Noheverin’i Carlos mantsy fa izany no valin’ilay fangatahany fiadanan-tsaina. Niadan-tsaina tokoa izy ireo, noho ny fianarany ny Baiboly. Niara-natao batisa izy mivady, ary mpisava lalana maharitra izao ny vadin’i Carlos.

Samy fantatr’i Victor ny fampianaran’ny Bodista sy ny Katolika. Nanomboka nanontany tena izy hoe nahoana no be dia be ny fivavahana. Nanomboka nikaroka ny marina izy. Nodinihiny ny Silamo, ny Hindoa, ny Shintoisma, Konfiosianisma, ny teorian’ny evolisiona sy ny fivavahana hafa, nefa tsy nisy nahafa-po azy. Hitany anefa fa ny Baiboly ihany no misy faminaniana marina. Nafantony tamin’ny Baiboly àry ny fikarohany. Nandinika ny Soratra Masina izy sy Maribel, ankizivavy niaraka taminy, ka nahita fa fampianaran-diso ny Andriamanitra telo izay iray sy ny afobe ary ny afo fandiovana. Mbola nisy zavatra tsy fantatr’izy ireo anefa.

Nivady i Victor sy i Maribel. Tsy ela taorian’izay, dia niresaka tamin’ny Vavolombelona i Victor, ka fantany fa tokony hampiasaina ny anaran’Andriamanitra. Nohamarininy tao amin’ny Baiboly izany, ka nampiasa ny anaran’Andriamanitra avy hatrany izy, rehefa nivavaka. Tsy ela izy dia nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ka nandroso ara-panahy haingana. Samy natao batisa tamin’ny Mey 1989 izy sy i Maribel, ary mpiandraikitra mpitety faritany mampahery an’ireo fiangonana izao i Victor.

Samihafa ny zavatra iainan’ireo olona ampian’ny mpisava lalana. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny mpivady iray tany atsimon’i Luçon i Primitiva Lacasandile, mpisava lalana manokana. Nanan-janaka roa ilay mpivady, ary nahantra be. Taitra be i Primitiva indray andro, rehefa tonga hampianatra Baiboly azy ireo, fa nihantona tao anaty harona ilay zanaka lahimatoan’ilay mpivady, sady nitomany. Hoy i Primitiva: “Nitazona antsy ilay ramatoa, ary efa vonona hamono an’ilay zaza. Nosakanako izy sady nanontaniako ny antony hanaovany izany. Nohazavain’ilay ramatoa fa sahirana ara-bola loatra izy ireo.” Nomen’i Primitiva torohevitra avy tao amin’ny Baiboly izy ireo, ka avotra ny ain’ilay zaza. Nitohy ilay fianarana Baiboly, ary nanomboka namonjy fivoriana ilay fianakaviana, na dia tsy maintsy nandeha an-tongotra valo kilaometatra aza mba hahatongavana tany. Nandroso ilay mpivady ka natao batisa, ary anti-panahy izao ilay lehilahy. Hoy i Primitiva: “Mpisava lalana maharitra izao ilay zaza saika novonoina. Mamonjy aina dieny izao sy amin’ny hoavy tokoa ilay asa nasain’i Jehovah hataon’ny mpanompony.”

Manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa

Mbola maro ny faritra vitsy mpitory. Nisy mpisava lalana sy mpitory nandeha tany amin’izy ireny. Mpisava lalana maharitra i Pascual sy Maria Tatoy. Nandeha mba hanampy ny mpitory tany amin’ireo Nosy Coron, any andrefan’i Philippines, izy mivady sy i Angelito Balboa, mpisava lalana manokana. Nanarato niaraka tamin’ny rahalahy iray i Pascual, mba hiveloman’izy mivady, ary nivarotra tsakitsaky toy ny ramanonaka kosa i Maria.

Nitsidika azy ireo ny mpiandraikitra ny faritra, ka nilaza fa nila mpitory koa ny nosy Culion. Misy toerana fitsaboana boka any, ary efatra monja ny mpitory tany. Nasain’ilay mpiandraikitra hankany ry Tatoy. Nanaiky izany izy mivady, ka notahin’i Jehovah ny ezaka nataony. Nanjary fiangonana roa izao ireo mpitory efatra tany Culion.

Maro be ny olona nandositra an’i Vietnam, tany antenatenan’ireo taona 1970. Maro tamin’izy ireo no tonga teto Philippines. Nisy tobin’ny mpitsoa-ponenana teto, nandritra ny efa ho 20 taona, ka anisan’izany ilay toby lehibe tany amin’ny Nosy Palawan. Nisy rahalahy nandeha nitory tamin’ireny olona ireny, ary tonga avy any Etazonia ny rahalahy iray mahay teny vietnamianina, mba hanampy tamin’izany. Nanaiky ny fahamarinana ny sasany tao amin’ilay toby. Nisy nifindra tany an-toeran-kafa kosa ireo nahafantatra ny anaran’i Jehovah sy ny Vavolombelony.

Misy mpisava lalana manokana any amin’ny faritra mitokana maro eto Philippines. Manasa mpitory sy mpisava lalana izy ireo matetika, rehefa hitory any amin’ny faritra lavitra. Mitantara momba ny fitoriana any Ifugao, faritra be tendrombohitra, ny Anabavy Norma Balmaceda. Hoy izy: “Ny alatsinainy izahay matetika no miainga, mitondra kitapo feno boky aman-gazety, fitafiana, ary sakafo ampy hatramin’ny asabotsy maraina. Ny asabotsy hariva izahay no miverina mba hanatrika fivoriana.”

Misy fiangonana mitory any ambanivohitra lavitra, indrindra fa rehefa tsara ny andro. Mandany andro maromaro, na herinandro, izy ireo, mba hitoriana any. Mbola tsaroan’i Nicanor Evangelista ny fitoriana toy izany, na dia efa manompo eto amin’ny Betela aza izy izao. Hoy izy: “Fomban’ny olona any ambanivohitra ny milaza toy izao, raha liana izy: ‘Afaka matory atỳ aminay ianareo, ary afaka mahandro sakafo eto.’ Indraindray dia nampianatra Baiboly ny olona liana hatramin’ny alina be ireo mpisava lalana, satria tao ihany izy no natory.”

Mianatra fahamarinana ireo Aëta

Miezaka mitory amin’ny karazan’olona rehetra ny mpanompon’i Jehovah, ka nihaona tamin’ireo Aëta, na Negritos. Heverina fa ny Aëta no mponina voalohany teto Philippines. Vitsy izy ireo, ary tsy mora foana ny mahita azy ireo. Mifindrafindra toerana any anaty ala any an-tendrombohitra mantsy ny maro aminy, satria mihaza, na mitady voankazo sy legioma. Mitovitovy amin’ny Pygmées any Afrika izy ireo, satria latsaka ny iray metatra sy sasany ny halavany, somary mainty fihodirana izy, ary ngita volo. Nanjary nipetraka sy niasa any an-tanàn-dehibe ny sasany aminy, ary ny hafa kosa nanatona toerana be olona. Maro taminy no nipetraka teny akaikin’ny Volkano Pinatubo, nefa voatery nifindra, rehefa nipoaka io volkano io.

Misy Aëta hafa mipetraka any amin’ny Nosy Panay, any afovoan’i Philippines. Anisan’izany i Lodibico Eno sy ny fianakaviany. Tena nanova an’i Lodibico ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Hoy izy: “Ratsy toetra be aho taloha: nitsako voana betela, nifoka, nigoka, niloka. Nahery setra koa aho, ary nijaly ny fianakaviako. Mety ho efa maty aho, raha tsy niova. Madio izao ny vatako, satria menamena ny nifiko taloha, fa fotsy tsara izy izao. Anti-panahy aho izao. Fitahiana avy amin’i Jehovah Andriamanitra daholo izany.” Toy io fianakaviana aëta io ny olona avy amin’ireo foko madinika, ka nahazo fahafahana avy amin’ny fanarahana ny lalan’i Jehovah.—Jaona 8:32.

Fanafahana ho an’ny voafonja

Anisan’ny karazan’olona nampiana ny voafonja. Efa nanomboka tamin’ny 1950 ny Vavolombelon’i Jehovah no niezaka manokana hitsidika azy ireny. Maro no efa nampiana mba hanaiky ny fahamarinana.

Anisan’ny mpikomy tamin’ny fitondrana ny tovolahy iray atao hoe Sofronio Haincadto. Nosamborina izy ary nohelohina higadra enin-taona, tao amin’ny Fonjan’i New Bilibid, eto Luçon. Nahita voafonja iray tsy nanatrika fotoam-pivavahana azon’ny gadra natrehina izy tao. Fantany nony avy eo fa Vavolombelon’i Jehovah io lehilahy io. Nanjary niresaka Baiboly isan’andro izy ireo. Hoy i Sofronio: “Lasa nino mafy aho fa tsy afaka ny hanova sy hanatsara ny fiaraha-monina ny zavatra nitolomako hatrizay.” Nanjary fantany fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka hitondra fiovana. Nampian’ireo rahalahy tao amin’ny fiangonana teo akaiky teo i Sofronio, ary nandroso teo amin’ny lafiny ara-panahy, ka natao batisa tao amin’ny dobo fanondrahana voninkazo, tao amin’ilay fonja.

Lasa mpisava lalana maharitra izy, rehefa nivoaka ny fonja, ary avy eo dia mpisava lalana manokana. Nanampy olona 15 mba hanaraka ny fahamarinana i Sofronio, tamin’izy mpanompo manontolo andro. Nanambady izy avy eo, ary niteraka enina. Mpanompo manontolo andro ny telo amin’ireo, ka mpiandraikitra ny faritra ny iray. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ny roa tamin’ireo zanany lahy, tamin’ny 1995. Tena nanafaka an’i Sofronio sy ny fianakaviany ary ny olon-kafa tokoa, ny fahamarinana.

Nitory tamin’ny voafonja tany Iwahig, any Palawan, ny mpisava lalana manokana. Navela hanorina Efitrano Fanjakana kely tao an-tokotanin’ny fonja mihitsy izy ireo. Nisy olona iray nigadra, satria nandoro fananan’olona sy nangalatra ary namono olona maromaro. Niova be anefa izy, rehefa nampiana hampihatra izay nianarany tao amin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany!

Efa nigadra 23 taona izy, rehefa nampahafantarina fa kely sisa dia hafahana. Nilaza izy fa te hiara-monina amin’ny fianakaviany indray. Sady menatra no natahotra azy anefa ny fianakaviany, ka nandefa taratasy taminy nilaza hoe: “Aza miverina atỳ re ianao e!” Tsy fantatr’izy ireo ny fiovana nateraky ny Tenin’Andriamanitra teo aminy. Gaga be izy ireo, satria nanjary Kristianina tony sy tsy tia ady izy, rehefa niverina tao an-tanànany!

Eto Manille, ao Mandaluyong, no misy ny fonja lehibe indrindra ho an’ny vehivavy. Voafetra ihany ny fahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah nankao, taloha. Niova anefa izany, rehefa nisy vehivavy efa nianatra Baiboly nafindra tao. Nilaza ireo manam-pahefana fa tokony hiaraka tamin’ireo fivavahana efa tao izy. Tsy nety anefa izy ary nilaza fa ny hiaraka hivavaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tiany. Nanaiky izany ireo manam-pahefana, ka namela ny Vavolombelona hiditra tao isan-kerinandro. Vehivavy maromaro avy tao no natao batisa, nanomboka tamin’izay, ary mitarika tsy tapaka ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy fivoriana hafa ho azy ireo ny fiangonana eo akaikin’ilay fonja.

Tena nanafaka ny sasany tamin’ireo nigadra tokoa ny fahamarinana. Sarobidy amin’i Jehovah koa ny ain’izy ireny, ary faly ny vahoakany manampy olona toy izany.

Manohy ny fanompoany ireo efa tranainy

Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohab. 16:31) Mahafinaritra tokoa ny mahita an’ireo nanao ny fifaliana avy amin’i Jehovah ho fiarovana azy efa hatramin’ny taona maro!

Kely ny fandaminan’i Jehovah teto Philippines, talohan’ny Ady Lehibe II. Vitsy ireo efa mpitory tamin’izany. Mampahery àry ny mahita ny Rahalahy Leodegario Barlaan. Nanomboka ny fanompoana manontolo andro izy tamin’ny 1938. Nampijalin’ny japoney izy sy ny namany, nandritra ny ady, nefa nitory foana. Nanohy ny fanompoana manontolo andro izy sy Natividad vadiny, rehefa vita ny ady, ka nasaina nitsidika faritra sy vondrom-paritra, tatỳ aoriana. Mpisava lalana manokana efa osa, tany Pangasinan izy ireo, tatỳ aoriana. Maty tamin’ny 2000 i Natividad, nefa mbola mpisava lalana manokana ihany i Leodegario izao. Mampahery ny rehetra ny fahatapahan-keviny hanao ilay asa efa nataony hatramin’izay, dia ny asa fitoriana.

Nandroso be ny asa fitoriana, taorian’ny Ady Lehibe II. Maro ireo nianatra ny fahamarinana tamin’izany, ary mbola manompo hatramin’izao. Anisan’izany i Pacifico Pantas. Namaky boky ara-baibolin’ireo Vavolombelona mpiara-monina taminy izy, nandritra ny ady. Hoy izy: “Nanomboka nivory aho. Nangataka hanao mpisava lalana [maharitra] aho, nefa mbola tsy vita batisa. Nolazain’izy ireo fa tokony hatao batisa aho, ka dia nekeko izany.” Tamin’ny 1946 izany. Nitety tanàna maro i Pacifico, tamin’izy mpisava lalana. Nanana tombontsoa hafa koa izy. Hoy izy: “Nasaina hanatrika ny kilasy faha-16 tamin’ny Sekolin’i Gileada aho, ary afaka nanatrika ilay fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1950, tany New York. Mpiandraikitra ny faritra tany amin’ny fanjakan’i Minnesota sy Dakota Avaratra, tany Etazonia, aho, rehefa nahazo diplaoma. Niverina teto Philippines aho avy eo, ka mpiandraikitra ny vondrom-paritra tany atsimon’ny Renirano Pasig, nanomboka teto Manille, ka hatrany Mindanao.”

Notendrena hiasa teto amin’ny Betela sy hitety faritany ny Rahalahy Pantas, taorian’izany. Nanambady izy tamin’ny 1963. Niteraka izy mivady, ka tsy maintsy nikarakara ny zanany. Notohizin’izy ireo foana anefa ny fanompoany an’i Jehovah, ary lasa mpidera an’i Jehovah daholo ireo zanany telo. Anti-panahy izy telo ireo izao, ka ny iray aminy dia nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary ny iray manompo ato amin’ny Betela. Efa antitra izao ny Rahalahy Pantas, nefa mbola manampy ny fiangonana ihany izy.

Trano mendrika hivavahana amin’i Jehovah

Vao haingana ny vahoakan’i Jehovah teto Philippines no nanana Efitrano Fanjakana mba hanaovany ny fivoriany. Tany an-tranon’ireo rahalahy ny ankamaroan’izy ireo no nivory, nandritra ny taona maro. Marina fa toy izany koa no nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Rom. 16:5) Nitombo anefa ireo fiangonana ankehitriny, ka tsara raha manana toerana afaka mandray olona maro kokoa.

Hoy i David Ledbetter: “Sarotra izany, satria kely fidiram-bola ny ankamaroan’ny rahalahy. Tanàn-dehibe i Manille, nefa fiangonana iray monja no nanana Efitrano Fanjakana niorina teo amin’ny taniny. Tsy an’ny fiangonana ny tany nisy an’ireo Efitrano Fanjakana hafa, ho an’ireo nanana efitrano.” Kely loatra ny karaman’ireo rahalahy, ka tsy afaka nividy tany ny fiangonana.

Nampiasa izay trano azony nivoriana rehetra àry ireo rahalahy. Nozarainy an-tsitrapo koa izay nananany. Tsaroan’i Denton Hopkinson, ohatra, ny Rahalahy Santos Capistrano, avy eto Manille. Nomeny hatao Efitrano Fanjakana ny rihana ambony tamin’ny tranony, nandritra ny 40 taona. Hoy ny Rahalahy Hopkinson: “Nipetraka tao ambany rihana ny zanany, rehefa maty ny vadin’ny Rahalahy Capistrano. Tao ambony ny Efitrano Fanjakana, ka efitra kely fotsiny no nipetrahany sy nataony lakozia, fa ilay efitrano no tena nameno an’ilay rihana. Mety hoheverinareo fa tsy nety taminy izany, nefa faly izy nanao izany. Izany no toe-tsain’ireo rahalahy.”

Nety ihany tatỳ aoriana ny nanorina Efitrano Fanjakana teo amin’ny tanin’ny fiangonana. Niakatra ny sandan’ny vola peso, ary nitombo kely ny karaman’ny olona, tamin’ireo taona 1980, ka azo natao ny nindram-bola. Nindram-bola àry ny fiangonana sasany.

Nisy fiovana be, avy eo, rehefa natomboky ny Filan-kevi-pitantanana ny fandaharana iray feno fitiavana. Nambara tany Etazonia sy Kanada fa hisy Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana. Tsy ela taorian’izay, dia nahazo tamin’izany fanomezana natao hanorenana Efitrano Fanjakana izany, ny teto Philippines. Mifanaraka tsara amin’ilay hoe “mba hisy fitoviana” io fandaharana io, satria afaka nindram-bola ny rehetra. (2 Kor. 8:14, 15) Nandeha tsikelikely ilay fandaharana, nefa nanjary maro ny rahalahy te hanana Efitrano Fanjakana, rehefa nandre fa nizotra tsara ilay izy.

Tena nitondra fiovana be izany! Nilaza toy izao momba ny fisamboram-bola hanaovana Efitrano Fanjakana, ny biraon’ny sampana: “Misy 1 200 ireo tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana. Tena misy vokany eto Philippines ilay fandaharana.” Avy tany an-tany hafa ny ankamaroan’ireo vola, tamin’ny voalohany. Nanjary afaka nanohana ara-bola an’ilay fandaharana anefa ireo rahalahy teratany, tatỳ aoriana. Hoy ny biraon’ny sampana: “Efa taona maro izao no vola naverin’ireo fiangonana, sy fanomezana avy amin’ireo rahalahy avy eto Philippines, no ampiasaina anorenana efitrano. Midika izany fa be ny zavatra tsara vita, rehefa atambatra ny vola, na dia atỳ amin’ny tany sahirana ara-bola aza.”

Maro izao ny fiangonana manana Efitrano Fanjakana. Misy fiangonana 3 500 latsaka kely eto Philippines, ary mbola mila toeram-pivoriana ny sasany aminy. Ny 500 aminy anefa no manana mpitory latsaka ny 15 ka tsy afaka hindram-bola hanorenana efitrano. Nampirisihana àry tato ho ato ny hanakambanana an’ireo fiangonana, mba hanamorana ny fananana Efitrano Fanjakana.

Novana ny fotoana fivoriana

Lavitra ny toerana fivoriana any amin’ny fiangonana sasany, na manana Efitrano Fanjakana izy ireo, na tsia. Mandeha an-tongotra adiny roa, na adiny efatra, na maherin’izany ireo rahalahy, vao tonga any am-pivoriana, sady ratsy ny lalana. Tsy mety amin’ireo lavitra toy izany ny mandeha mivory mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro. Maro tamin’ireny fiangonana ireny àry no nanao ny fivoriana rehetra indray mandeha, afa-tsy ny Fianarana Boky. Vonona hanatrika fivoriana efatra izy ireo, rehefa tonga, ary nitondra sakafo antoandro. Indray mandeha isan-kerinandro ihany izy amin’izay no mandeha lavitra, satria andro hafa izy no nitory teny amin’ny manodidina azy.

Nanjary fanao tany amin’ny fiangonana tsy lavitra toeram-pivoriana loatra, sy tatỳ an-tanàn-dehibe koa izany, tamin’ny 1980. Sahirana ara-bola angamba ny sasany, ka nitady fomba hitsitsiana. Tsy nandeha matetika sady tsy nandany vola izy, raha mahalana vao misy fivoriana. Niahy loatra izay hampiadana azy ny rahalahy sasany, ka mba nikarakara izay hahasoa azy izy rehefa tsy nivory, izany hoe nianatra, na niasa.

Nihamaro ny fiangonana nanao fivoriana efatra indray mandeha, ary nisy mihitsy aza nanao fivoriana dimy indray mandeha! Nidika anefa izany fa nihananalavitra ny fomba fanaovan’ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah zavatra ny fiangonana teto Philippines. Andro telo samy hafa mantsy no anaovana ireo fivoriana isan-kerinandro. Toa tsy hitan’ireo rahalahy intsony izay zava-dehibe. Noresahina tamin’ny mpiandraikitra mpitety sampana izany, tamin’ny 1991, ary izy kosa nanontany ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy izy ireo: “Heverinay fa tsy mety izany fomba izany, raha tsy hoe misy antony tena lehibe anaovana izany angaha.” Nampitaina tamin’ireo rahalahy tatỳ an-drenivohitra sy tany ambanivohitra izany.

Nasongadina fa mifanaraka amin’ny fandaharana eran-tany ny fanaovana fivoriana amin’ny andro samihafa. Handray soa ara-panahy koa ny fiangonana, rehefa tsy terena hatao ao anatin’ny adiny telo, na adiny efatra, ireo fivoriana rehetra. Sarotra tamin’ny ankizy sy ny olona liana koa ny nanatrika fivoriana toy izany. Voaomana tsara kokoa ny anjaran’ny anti-panahy, raha fivoriana iray na roa ihany no omaniny, fa tsy maro be.

Ahoana no nandraisan’ireo fiangonana izany torohevitra izany? Nanaiky izany ny ankamaroany, ka nanao fivoriana tamin’ny andavanandro avy hatrany. Voalanjalanja kokoa izao ny fandaharam-pivoriana isan-kerinandro, ankoatra ny an’ireo fiangonana, izay tena mitokana.

Efitrano Fivoriambe

Tokotanim-pianarana, na kianja mitafo, na kianja hafa, no nanaovana fivoriamben’ny faritra, nandritra ny taona maro. Nahafinaritra an’ireo rahalahy ireny fiarahana ireny, na dia tsy tsara loatra aza ny toerana.

Nanahirana, toy ny tamin’ny Efitrano Fanjakana, ny nahazo Efitrano Fivoriambe, satria sahirana ara-bola ireo rahalahy. Te hahazo Efitrano Fivoriambe anefa izy ireo. Vokatr’izany, dia nisy efitrano tsotra maromaro naorina. Faritra iray na roa ihany no nampiasa Efitrano Fivoriambe iray, fa tsy faritra maro toy ny any an-tany hafa. Nisy nanome, na novidina mora, ireo tany, indrindra fa tany ambanivohitra. Nanao fanomezana ireo rahalahy, ary nanorina zavatra tsotra: efitrano tsy misy rindrina, fa misy tafo fotsiny, gorodona simenitra, lampihazo, ary seza vitsivitsy.

Tsy nahavita nanorina trano tsotsotra toy izany akory anefa ireo rahalahy teto Manille, tamin’ny voalohany. Lafo be mantsy ny tany sy ny saran’ny fanorenana mety ho an’ny tanàn-dehibe. Nanome vola hanaovana izany ireo fiangonana teto, nefa tsy ampy hividianana tany akory ilay izy. Tany amin’ireo sekoly sy kianja na toerana toy izany foana, no nanaovana ireo fivoriambe teto Manille, tamin’ny taona 1970 ka hatramin’ny tapatapaky ny 1990.

Nitombo koa ireo fiangonana sy faritra teto, ka vao mainka tena tsy maintsy nilaina ny Efitrano Fivoriambe. Nanomboka àry ny fitadiavana tany. Nisy taratasy nalefa ho an’ireo fiangonana, nanazava fa afaka nanohana ara-bola an’ilay tetik’asa izy ireo. Nisy tany enina hektara hita tany akaikin’i Lagro, any amin’ny farany avaratr’i Manille, tamin’ny 1992.

Nanohana an’ilay tetik’asa ireo fiangonana teto Manille, ka nandefa vola sy mpiasa. Nisy mpanompo iraisam-pirenena tonga mba hanampy. Anisan’izany i Ross Pratt, avy atsy Nouvelle-Zélande. Hoy izy: “Neken’i Brooklyn tamin’ny Martsa 1997 ny hanombohana ilay asa. Tany 29 000 metatra toratelo no tsy maintsy nafindra, mba hanorenana ilay trano. Nisy mpiasa raikitra 50 ka hatramin’ny 60. Vita tamin’ny Novambra 1998 ilay Efitrano Fivoriambe.” Notokanana ilay izy. Azo anaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra koa ao, satria mahazaka olona 12 000 ilay Efitrano Fivoriambe. Tsy misy rindrina izy io, ka mitsotsoka tsara ny rivotry ny tany mafana, rehefa mihaino ny fandaharana ny mpanatrika. Faritra 16 eto Manille sy ny manodidina izao no mampiasa io efitrano io.

Trano fanampiny ho an’ny sampana

Nitombo ny isan’ny fiangonana sy faritra, ka nitombo koa ny asan’ny sampana. Nisy 60 000 ny mpitory tamin’ny 1980. Tsy ampy folo taona taorian’izay, dia anisan’ireo tany nanana mpitory 100 000 mahery i Philippines. Nanjary 150 ireo Betelita 102. Tany am-piandohan’ireo taona 1980 anefa, dia efa tery ny tranon’ny sampana, ka nilaina ny trano fanampiny.

Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nitady tany fanampiny izahay. Mitantara toy izao i Felix Fajardo: “Nitety trano izahay mba hitadiavana tany teto akaikin’ny Betela. Nilaza ny Sinoa sy ny teratany teto fa tsy namidiny ny taniny. Niteny mihitsy aza ny iray hoe: ‘Tsy mivarotra ny Sinoa, fa mividy. Tsy mivarotra mihitsy izahay.’” Toa tsy nisy tany azo novidina mihitsy àry teto akaikin’ny tranon’ny sampana.

Tany an-toeran-kafa indray no nitadiavana tany. Hafindra any ivelan’ny tanàna ny biraon’ny sampana, raha nilaina izany. Nisy toerana maro hita tany amin’ireo fivondronana akaiky. Nahaliana ny Filan-kevi-pitantanana ny tany lehibe iray tany akaikin’i San Pedro, any Laguna. Rahalahy no nivarotra azy io mora. Nekena ny hividianana azy io. Nomanina ny fanorenana birao sy Trano Betela ary fanontam-pirinty teo amin’ilay tany. Toa tsy sitrapon’i Jehovah anefa ny hifindrana tany, satria tsy nisy telefaonina tany, ratsy ny lalana, ary tsy nilamina loatra ilay tanàna. Niharihary fa tsy tsara hasiana biraon’ny sampana ilay toerana. Natao ho toeram-pambolena ny zavatra nilain’ny Betela àry izy io. Mbola tsy maintsy nitady toerana malalaka ihany anefa izahay.

Nisy zavatra tsy nampoizina toa nanondro ny fitarihan’i Jehovah. Hoy i Felix: “Tonga tampoka ilay olona teo akaikin’ny Betela, nilaza hoe: ‘Tianay hamidy aminareo ny taninay, 1 000 metatra toradroa.’ Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana novidinay àry ilay izy. Noheverinay fa efa ampy ilay tany, kanjo hoy indray izy ireo, rehefa narosonay ny drafitra: ‘Afaka mitady tany lehibe fanampiny ve ianareo, fa mbola tsy ampy izany?’”

“Nisy dokotera sy mpisolovava tonga tao aminay, taorian’izay, niteny hoe: ‘Tianay hamidy aminareo ny taninay.’ Mbola 1 000 metatra toradroa koa io. Nivarotra ny taniny iray hektara teo akaiky teo koa ny ramatoa iray. Tena mora ny nivarotany azy. Noheverinay fa efa betsaka ny tany azonay, nefa hoy indray ny foibe: ‘Mbola mitadiava ihany.’”

Tsy nampoizinay fa nitety an’ireo mpiara-monina hafa ilay dokotera sy ilay mpisolovava, ka nandresy lahatra azy ireo hivarotra ny taniny. Tonga tsirairay nivarotra ny taniny àry izy ireo. Efa saika novidinay daholo ireo tany nanodidina ny sampana, ka nisy drafitra hafa nalefa tany amin’ny foibe. Namaly indray izy ireo hoe: “Mbola mila tany hafa ianareo.” Nieritreritra ireo rahalahy hoe: ‘Aiza indray isika no mbola hahita? Efa nanontaniantsika daholo ireo tany nanodidina teto.’

Tamin’izay no nisy antso an-telefaonina nahakasika ny tanin’ilay mpandraharaha izay niteny hoe ‘tsy mivarotra ny Sinoa.’ Namidy izao ilay tany! Hoy i Felix: “Hitanay sy ny Rahalahy Leach fa tsy nahaliana ny olona ilay tany, ka azonay mora be ilay izy. Toa i Jehovah no nitantana an’ilay raharaha.” Nisy tany iray hektara fanampiny indray azo, ka nilaza ny foibe, rehefa ela ny ela hoe: “Efa ampy izao ny taninareo, ka afaka mieritreritra ny hanorina amin’izay ianareo.”

Nandeha ny fotoana, ary betsaka ny zavatra niova, ka tsy nilaina intsony ilay toeram-pambolena sy fiompiana tany San Pedro. Kely kokoa ny vola lany, raha vidina ambongadiny ny sakafon’ny Betela. Notapahina àry ny hevitra fa hamidy ilay izy. Tamin’ny 1991 izy io no lafo. Nanampiana tamin’ny fanorenana ilay tranon’ny sampana vaovao ny vola vidin’ilay toerana.

Fanorenana ilay tranon’ny sampana vaovao

Avo telo henin’ilay iray hektara novidina tamin’ny 1947 ny tanin’ny sampana ankehitriny. Nanampy tamin’ny fanaovana planin’ny trano ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika atsy amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Japon, ka nanomboka tany antenatenan’ny 1988 ny fanomanana ilay toerana. Tsy maintsy noravana ny sasany tamin’ireo trano hazo tonta teo. Ireto avy no haorina: trano fonenana hisy rihana folo, fanontam-pirinty lehibe hisy rihana, ary Efitrano Fanjakana iray.

Notendrena hiasa tamin’ny fanorenana ireo nahazo diplaoman’i Gileada. Nisy rahalahy sy anabavy efa ho 300 koa anefa tonga avy any amin’ny tany dimy. Mpanompo iraisam-pirenena nijanona naharitra ny sasany, ary mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena nandalo ihany ny hafa. Gaga ireo mpifanolo-bodirindrina, rehefa nahita vahiny niasa teo. Vao mainka izy ireo gaga, rehefa nahafantatra fa nianto-tena ny ankamaroan’ireo mpiasa! Nisongadina ny maha iraisam-pirenena ilay asa, satria niasa teo koa ny rahalahy sy anabavy avy teto an-toerana.

Hita, toy ny tamin’ny fividianana tany, fa i Jehovah no nitarika ny fanorenana. Orinasa iray ihany, ohatra, teto Philippines no nikarakara ilay karazana fanitso nilaina. Betsaka anefa ny olona nila ilay fanitso, ka ny fanafaran’ny sampana no faha-301! Nanao fotoana àry ireo rahalahy mba hiresahana mivantana tamin’ny filoha lefitr’ilay orinasa, ka nanazava fa asa an-tsitrapo ny asantsika. Nivory ny filan-kevi-pitondran’ilay orinasa, ka nanaiky ny fangatahan’ireo rahalahy, sy nikarakara ilay fanafarana avy hatrany. Nitokona ny mpiasan’ilay orinasa, tsy ela taorian’ny nahazoanay ireo fanitso.

Tsara ny toe-tsain’ireo rahalahy maro be nanorina ny tranon’ny sampana. Nisy mpiasa an-tsitrapo 600, tonga isan-kerinandro, avy tamin’ireo fiangonana nanodidina. Ireny mpiasa an-tsitrapo ireny tokoa no nanao ny ampahatelon’ny asa.

Tena tsara ilay karazan-trano naorina. Misy horohoron-tany matetika atỳ Philippines, ka nataon’ireo rahalahy mpitantana ara-teknika azo antoka fa tsy hazeran’izany ilay trano misy rihana folo. Tena tsy nitovy mihitsy tamin’ireo trano efa teo ireo trano ireo. Efa tamin’ireo taona 1920 no nanorenana ny iray tamin’ireny! Noravana ireo trano tranainy indrindra, mba hanorenana trano vaovao.

Notokanana tamin’ny 13 Aprily 1991 ilay Betela vaovao. I John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana, ary 1 718 no nanatrika. Nasaina hanatrika izany ireo rahalahy sy anabavy efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny 40 taona na mahery, niaraka tamin’ireo vahiny avy tany amin’ny tany folo. Nisy toerana enina teto Philippines nampifandraisina tamin’ny alalan’ny telefaonina ny ampitson’iny, ka 78 501 no nankafy ireo fandaharana nampahery ara-panahy.

Nisy rahalahy avy eto Philippines lasa mpanompo iraisam-pirenena

Nampianatra an’ireo rahalahy avy eto Philippines, ireo mpanompo iraisam-pirenena, nandritra ny fanorenana ny sampana. Hoy i Hubertus Hoefnagels, momba izany: “Tena nazoto ireo rahalahy, sady nampihatra izay nianarany.” Vokatr’izany, dia nisy tamin’ireo rahalahy nampiofanina no afaka nanao fanorenana iraisam-pirenena, rehefa vita ny teto Philippines. Nanampy tamin’ny fanorenana sampana tany an-tany hafa izy ireo, indrindra fa tatỳ Azia Atsimoatsinanana.

Anisan’izany i Joel Moral, avy any Quezon. Herinandro monja no nieritreretany hiasana, rehefa tonga teo amin’ny fanorenana ilay biraon’ny sampana teto Manille izy. Nilaina anefa izy, ka nangatahina hijanona. Tsy za-draharaha tamin’ny fanorenana izy, nefa vetivety dia nahay, rehefa niara-niasa tamin’ireo mpanompo iraisam-pirenena.

Nila fanampiana ireo mpanorina ny sampana vaovaon’i Tailandy, talohan’ny nahavitan’ny teto Philippines. Hoy i Joel: “Tsy nampoiziko fa nasaina hankany Tailandy aho. Nanomana ahy hanao asa iraisam-pirenena ny traikefa nangoniko tamin’ny fanorenana teto Philippines.” Niasa herintaona mahery tany Tailandy izy.

Tamin’ny fanorenana ny sampan’i Philippines no nifankahitan’i Joshua sy Sara Espiritu. Nivady izy ireo, tsy ela taorian’ny nitokanana ny sampana. Tanjon’izy ireo anefa ny ho mpanompo iraisam-pirenena. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nasaina hanao fanorenana tany an-tany hafa izy ireo. Nanompo tany amin’ny tany dimy izy ireo hatramin’izao, ka telo tatỳ Azia, ary roa tany Afrika. Hoy i Joshua, momba ny fiainany teto Philippines: “Nianatra asa izahay, rehefa niara-niasa tamin’ny rahalahy avy tany an-tany hafa. Afaka mampianatra olon-kafa indray izahay izao.” Nilaza toy izao tamin’ireo rahalahy tany amin’ny tany nandehanany izy ireo: “Tsy ho eto foana izahay, fa ianareo no hanohy ny asa.” Hoy izy, momba ny zava-kendreny rehefa mandeha any an-tany hafa: “Tsy ny hiasa ihany no andehananay any, fa ny hampianatra an’ireo rahalahy koa.”

Tsy maintsy mianatra ny fomban’ny olona anefa ianao, rehefa mandeha any an-tany hafa. Nalefa tany amin’ny tany maro toa an’i Tailandy, Samoa Andrefana, ary Zimbabwe, i Jerry Ayura. Hoy izy: “Nianarako fa mampiasa olona tena samy hafa i Jehovah. Tianay izy ireny, satria tian’i Jehovah.” Faly tokoa ireny rahalahy avy eto Philippines ireny, satria afaka mandray anjara amin’ny asan’i Jehovah iraisam-pirenena!

Tsy mampitsahatra ny asa ny korontana

Ny hoe manao an’i Jehovah ho fiarovana dia midika hoe tsy mivadika aminy ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Imbetsaka ny mpanompon’i Jehovah teto Philippines no afaka nampiseho izany.

Nofoanana tamin’ny 17 Janoary 1981 ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka, nefa nitohy ihany ny korontana. Nisolo tamin’ny Febroary 1986 ny fitondrana. Somary nitsahatra ny korontana, ka afaka nivory sy nitory tamin-kalalahana ireo fiangonana, na dia tany amin’ny toerana nanaovan’ireo “Herin’ny Vahoaka” fihetsiketsehana aza. Voamarik’ireo mpitory handeha hitory, fa nisy pretra sy masera niaraka tamin’ireo “Herin’ny Vahoaka” sy nampirisika azy ireo.

Nanova zavatra haingana ilay fitondrana vaovao. Nitohy ihany anefa ny korontana. Imbetsaka no nisy nanandrana hanongana ilay fitondrana vaovao, tao anatin’ny telo taona nijoroany, ka nisy ra nandriaka indraindray. Gaga ireo rahalahy teratany sy vahiny nanorina ny Betela, indray mandeha, raha nahatazana miaramila nikomy nanapoaka baomba tao amin’ny tobiny ihany. Tsy naharitra ireny ady ireny, nefa tsy maintsy nampirisihina hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana tsy nampidi-doza kokoa ny fiangonana sasany.

Naharitra nandritra ny taona maro ny adin’ny tafi-panjakana sy ny mpanohitra, any amin’ny faritra sasany any Mindanao. Manohy ny fanompoany ireo rahalahy any, nefa tsy maintsy mailo sy mitoky amin’i Jehovah. Nanompo tany amin’ny faritra be ady i Renato Dungog. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy, ary mpiandraikitra ny faritra izy izao. Niandry sambo izy indray mandeha, rehefa nanontany azy ny miaramila iray hoe: “Ho aiza ianao?”

Hoy i Renato: “Vavolombelon’i Jehovah mpitety faritany aho. Mitsidika an’ireo rahalahy indroa isan-taona aho mba hampaherezana azy ireo sy hiara-mitory amin’izy ireo.”

Hoy ilay miaramila: “Tena arovan’Andriamanitra ianao, matoa tsy maty hatramin’izao.” Manohy ny asa àry ireo rahalahy, na eo aza ny korontana. Mitoky amin’i Jehovah izy ireo, sady hajain’ny olona.

Notsaraina indray ny ankizy tsy nanangan-tsaina

Voasedra koa ny tsy fivadihan’ny tanora tamin’Andriamanitra. Nanao sonia ny Lalàn’ny Repoblika No. 1265 ny Prezidà Ramon Magsaysay, tamin’ny 11 Jona 1955. Notakin’ilay lalàna fa tsy maintsy manangan-tsaina ny ankizy rehetra any amin’ny sekolim-panjakana sy tsy miankina. Nanaraka ny feon’ny fieritreretany, toy ny tanora Vavolombelona eran-tany, ireo zanaka Vavolombelona. (Eks. 20:4, 5) Manaja ny sainam-pirenena izy ireo, nefa tsy ekeny kosa ny hanao fombafomba heveriny ho fivavahana amin’izy io. Noroahina tany am-pianarana ny zanaky ry Gerona, tany Masbate, satria tsy nanangan-tsaina. Nentina teo amin’ny Fitsarana Tampon’i Philippines ilay raharaha, tamin’ny 1959. Tsy nanaja ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ilay fitsarana. Nolazain’izy io fa “tsy sary” ny sainam-pirenena, ary “tsy misy dikany ara-pivavahana mihitsy ny saina.” Ilay fitsarana àry no nanjary nanapaka izay atao hoe zavatra ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana.

Tsy nanova ny zavatra ninoan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izany. Nanaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina foana ireo rahalahy. Niteraka fahasahiranana ny didy navoakan’ilay fitsarana, na dia tsy mafy loatra araka ny niheverana azy aza.

Tsy nanahirana intsony aloha ny fananganan-tsaina hatreo. Nampidirina tao amin’ny Fehezan-dalàna Fitantanana anefa ilay didim-pitsarana, tamin’ny 1987, ka noroahina tany am-pianarana ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah tany Cebu, tamin’ny 1990. Nanitrikitrika ny hampiharana ny fitsipika ny tompon’andraikitra iray momba ny fampianarana. Nihamaro ireo ankizy noroahina.

Noresahin’ny fampitam-baovao ireny fandroahana ireny. Nisy komity miaro ny zon’olombelona liana ny amin’ireo ankizy tsy navela hianatra ireo. Toa tsy nitovy tamin’ilay tamin’ny 1959 ny toe-tsain’ny olona. Tian’i Jehovah ve ny hampiharihariana indray an’io raharaha io? Hoy i Ernesto Morales, anti-panahy tany Cebu tamin’izany: “Nampirisika anay hametraka fitoriana daholo ny mpampanonta gazety, mpanao gazety, mpampianatra, sy ny sisa.” Nanontaniana momba izany ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, teto amin’ny sampana sy tany amin’ny foibe. Tapaka ny hevitra fa hampakarina fitsarana ilay izy.

Faharesena anefa no azo tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany teo amin’ilay faritra, sy tany amin’ny Fitsarana Ambony. Tsy tian’izy ireo ny hanohitra ny didy navoakan’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 1959, momba ny raharahan-dry Gerona. Ny fampakarana ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony ihany no vahaolana. Ho vonona ny hitsara an’ilay raharaha ve izy ireo? Eny, hoy izy ireo! I Felino Ganal, Vavolombelon’i Jehovah mpisolovava, no nitondra an’ilay raharaha teo amin’ny fitsarana ambony indrindra. Andro vitsivitsy taorian’izay dia efa nilaza ny Fitsarana Tampony fa tokony haverina hianatra ireo ankizy noroahina. Mbola nandrasana kosa ny didim-pitsarana raikitra.

Samy nanaporofo ny heviny ny andaniny roa. Nandinika tsara ny Fitsarana tampony, ka namoaka didim-pitsarana nanafoana ilay didy tamin’ny 1959. Narovan’ilay fitsarana ny zon’ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah tsy hanangan-tsaina, na hanambara ny tsy fivadihana amin’ny tanindrazana, na hihira ny hiram-pirenena. Nanazava toy izao ny anton’io didy lehibe io ilay fitsarana: ‘Tsy mifanaraka amin’ny toe-tsain’ny mponin’i Philippines ankehitriny ny fanerena ny ankizy hanangan-tsaina, sy ny fandroahana ny ankizy tsy manangan-tsaina. Efa nianarantsika sy nalentika ao an-tsaintsika mantsy ny Fanambarana ny Zon’ny Olom-pirenena, izay manamafy fa manan-jo hiresaka malalaka, sy hifidy ny fivavahana arahiny, ny olom-pirenena rehetra.’ Nilaza koa ilay fitsarana fa ‘fanitsakitsahana ny zo hahazo fampianarana malalaka, araka ny Lalàm-panorenana tamin’ny 1987’, ny fandroahana Vavolombelon’i Jehovah any am-pianarana. Hoy ny gazety iray eto Manille: “Nanitsy ilay tsy rariny, niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny 35 taona, ny Fitsarana Tampony.”

Nangataka ny hamerenana an’ilay fitsarana ny andaniny, saingy nolavin’ny Fitsarana Tampony izany, tamin’ny 29 Desambra 1995. Manan-kery foana àry ilay didim-pitsarana. Fandresena ho an’ny vahoakan’i Jehovah tokoa izany!

Mitohy ny asa na misy aza ny loza

Voalaza teo am-piandohana fa iharan’ny loza matetika i Philippines. Andeha hojerentsika ny sasany amin’izany sy ny vokany teo amin’ireo rahalahy.

Horohoron-tany: Misy horohoron-tany matetika eto Philippines, satria eo anelanelan’ny plakin’ny tany roa lehibe no misy azy. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa misy horohoron-tany dimy isan’andro, fara fahakeliny, ary tsy tsapan’ny olona ny ankamaroany sady tsy manelingelina ny fiainany. Mitera-doza mahatsiravina kosa ny horohoron-tany sasany.

Nisy horohoron-tany nahery tamin’ny 16 Jolay 1990, tamin’ny 4.26 hariva, tany akaikin’i Cabanatuan, any afovoan’i Luçon. Voa mafy tamin’izany koa i Benguet. Maro ny sekoly sy hotely nianjera, ka nisy maty.

Hamonjy fivoriamben’ny faritra tany Benguet, be tendrombohitra, i Julio Tabios, mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy ny vadiny, tamin’izay. Nisy rahalahy nitondra legioma hamidy tany Baguio, ka nitondra azy mivady tamin’ny kamiaony. Namakivaky tendrombohitra izy ireo, ary tonga teo amin’ny lalana tery iray. Voatery nijanona izy ireo, mba handehanan’ilay fiara nifanena taminy. Tamin’izay indrindra no nanomboka nisy vato niraraka avy teo amin’ilay tendrombohitra. Fantatr’izy ireo fa horohoron-tany nahery ilay izy. Hoy i Julio: “Nahemotr’ilay rahalahy ho eo amin’ny toerana nalalaka ilay fiarany, ary avy eo dia nisy vatobe nidoboka teo amin’ilay toerana vao avy nialanay. Velom-pankasitrahana izahay, satria tsy maty. Nihovotrovotra indray ny tany taorian’izay, ary hitanay fa toy ny nandihy mihitsy ilay vatobe teo akaikinay.” Nihotsaka ny ilan’ireo tendrombohitra.

Tototry ny tany nihotsaka ny lalana. Tsy maintsy nandeha an-tongotra izy ireo, raha te hamonjy ilay fivoriambe, na ho any an-toeran-kafa. Nisy olona tsara fanahy nampiantrano azy ireo, tamin’ny alina. Nananika tendrombohitra avo be ry zareo ny ampitson’iny, rehefa ho any amin’ilay fivoriambe. Nahita rahalahy maro izay nifanampy tamin’ilay fotoan-tsarotra izy ireo teny an-dalana. Tonga tany Naguey, toerana nanaovana ilay fivoriambe, ihany ry Julio, rehefa avy nananika tendrombohitra nampidi-doza. Hoy i Julio: “Nirotsa-dranomasom-pifaliana ireo rahalahy, satria noheveriny fa tsy ho tonga intsony izahay! Reraka be izahay, nefa faly nahita rahalahy sy anabavy miramirana niarahaba anay tonga soa.” Niezaka hamonjy fivoriambe ireo rahalahy, na teo aza ilay horohoron-tany. Tena tia zavatra ara-panahy tokoa izy ireo.

Mety hotsaroanareo fa teo am-panorenana azy ny Betela, tamin’izany. Mbola tsy vita ilay trano fonenana, nefa notsapain’io horohoron-tany tamin’ny 1990 io ny tanjany. Natahotra ny Betelita sasany, rehefa nahita an’ilay trano nitsingilahila. Natao indrindra tsy ho ravan’ny horohoron-tany mahery anefa ilay trano.

Tondra-drano: Mafana sady mando ny toetrandro eto, ka maro ny faritra be orana. Misy toerana mora voan’ny tondra-drano. Nitory tany amin’ny faritany toy izany i Leonardo Gameng, efa nanompo manontolo andro nandritra ny 46 taona mahery. Hoy izy: “Tsy maintsy nandeha telo kilaometatra tao anaty fotaka hatreo amin’ny lohalika izahay.” Mpisava lalana manokana tany Pampanga, izay toerana mora voan’ny tondra-drano, i Juliana Angelo. Hoy izy: “Nandeha lakana kely izahay mba hitadiavana olona liana. Tsy maintsy mijery tsara ilay anadahy mivoy lakana, mba hialana amin’ny hazo fiafenan’ny bibilava. Raha tsy izany, dia milatsaka ao anaty lakana izy ireny.” Nitory nandritra ny taona maro tany Pampanga ny Anabavy Corazon Gallardo, izay efa mpisava lalana manokana nanomboka tamin’ny 1960. Tsy nisy lakana indraindray, ka tsy maintsy nandeha tao anaty rano hatreny an-tsoroka izy, rehefa tondraka ny rano. Niezaka nijery lafy tsaran-javatra foana anefa izy. Nianatra niatrika toe-javatra vaovao sy niantehitra tamin’i Jehovah izy, satria fantany fa tsy handao izay tsy mivadika aminy mihitsy i Jehovah.

Niangona teny amin’ny faritra iva ny vatom-bolkano avy amin’ny Volkano Pinatubo, ka niharatsy ny tondra-drano tany Pampanga, satria niakatra ny rano ka niparitaka tany amin’ny faritra hafa. Nilaza i Generoso Canlas, mpiandraikitra ny faritra, fa voatery nanao baoty na tsy nikiraro izy ireo rehefa mitory, satria feno rano ny lalana. Mandeha ihany anefa izy ireo, na eo aza izany.

Mifanampy sady manampy olon-kafa ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa lehibe ilay tondra-drano ka mahakasika tanàna manontolo. Nanao izany izy ireo tany Davao del Norte, any atsimon’i Philippines. Faly erỳ ireo manam-pahefana noho ny fanampian’ny Vavolombelona, ka nanao taratasy ofisialy ho fankasitrahana mihitsy izy ireo.

Volkano: Maro ny volkano eto Philippines, fa ny Volkano Pinatubo no tena nahaliana an’izao tontolo izao. Nipoaka izy io tamin’ny Jona 1991, ka niteraka rahona lavenona be. Maizina tanteraka ny andro. Nisy nihevitra fa efa nanomboka ny Haramagedona. Niraraka hatrany Kambodja ny lavenona. Vetivety dia efa namoaka poti-javatra 665 000 tapitrisa metatra toratelo ny Volkano Pinatubo. Maro ny tafo sy trano nianjera, rehefa novesaran’ilay lavenona. Nandrava sy nanototra trano ny ranoka volkano sy ny poti-javatra nentiny, ka nisy Efitrano Fanjakana sy tranona rahalahy simba koa. Hoy i Julius Aguilar, mpisava lalana maharitra tany Tarlac: “Tototry ny lavenona ny tranonay.” Tsy maintsy nifindra toerana ny fianakaviany.

Mpiandraikitra ny faritra tao amin’ilay toerana i Pedro Oandasan. Hoy izy: “Tsy nanadino mihitsy ny fanompoany an’i Jehovah ireo rahalahy. Tonga nivory foana izy ireo. Tsy nampihena ny fitiavany ny fitoriana koa ilay ranoka volkano. Nitory tamin’ireo tra-boina sy tany amin’ilay faritra nisy ny loza mihitsy izahay.”

Fotoana nampisehoana ny fitiavana kristianina ireny loza ireny. Nifanampy ireo rahalahy, nandritra ny fipoahan’ny Volkano Pinatubo sy taorian’izay. Avy hatrany dia nandefa kamiao nitondra vary ny biraon’ny sampana. Nitondrana an’ireo rahalahy hiala tao amin’ireo tanàna tra-doza kosa ilay kamiao avy eo. Nandefa vola sy fitafiana avy hatrany ny rahalahy teto Manille, raha vao nandre momba ilay loza. Nivondrona haingana ireo rahalahy tanora tany Betis, any Pampanga, mba hanampiana ny tra-boina. Anisan’ny nampian’izy ireo ny vehivavy iray liana, izay notoherin’ny vadiny. Faly ilay rangahy, rehefa tonga hanamboatra ny tranony ireo rahalahy tanora, ka tonga Vavolombelona izy izao!

Rivo-doza: Ny rivo-doza no tena mandrava indrindra. Rivo-doza 20 eo ho eo no mamely ireo nosin’i Philippines isan-taona. Tsy mitovy ny heriny, nefa samy mitondra rivo-mahery sy oram-be izy rehetra. Mandrava trano sy mamotika ny fambolena izy ireny matetika, ka manakorontana ny fiveloman’ny tantsaha.

Simban’ny rivo-doza foana ny trano sy fambolen’ireo Vavolombelona. Mahagaga fa miarina indray ireo rahalahy aorian’izany, ka manohy ny asany. Matetika loatra ny rivo-doza any amin’ny toerana sasany, ka efa mahazatra ny olona. Mendri-piderana ireo rahalahy, satria nianatra nizaka izany, ka miatrika ny zava-manahirana, arakaraka ny isehoany. (Matio 6:34) Mazava ho azy fa mandefa sakafo na vola ireo rahalahy eny amin’ny manodidina, rehefa mandre momba ny loza toy ireny. Miantso ny biraon’ny sampana ny mpiandraikitra mpitety faritany indraindray, rehefa tena mafy ilay rivo-doza. Faly ny sampana mandamina ny fanampiana an’ireo rahalahy.

Fanaterana boky aman-gazety ara-baiboly

Maro sy mifanalavitra ireo nosy eto Philippines, ka matetika no tsy tonga ara-potoana na misy fahasimbana ny boky sy gazety tonga any amin’ny fiangonana. Ny paositra no nampiasaina nandritra ny taona maro. Matetika anefa Ny Tilikambo Fiambenana sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana no tsy tonga talohan’ny fotoana hianarana azy any am-pivoriana.

Tsaroan’i Jehu Amolo, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana eto amin’ny sampana, ny antony nanovan’izy ireo ny fomba fiasany. Hoy izy: “Sady tara ny entana vao tonga, no nihalafo be koa ny fandefasana azy, tamin’ny 1997.” Vola be tokoa no lany, satria gazety 360 000 no nalefa isan-tapa-bolana.

Nanontaniana ny Filan-kevi-pitantanana raha mety ny hampiasana rahalahy eto amin’ny sampana mba hanatitra an’ireo boky. Nodinihin’izy ireo tsara izany, ary nekeny. Kamiao avy eto amin’ny sampana no manatitra ireo boky manerana an’i Luçon. Nitady mpandefa entana azo nitokisana anefa ny sampana mba handefa ireo gazety sy boky tany amin’ireo nosy hafa, ka sambo no nanatitra azy ireo tany amin’ny toerana efa voafaritra mialoha. Rahalahy mpamily kamiao indray no maka ny entana amin’ireny toerana ireny, ka manatitra azy any amin’ny toerana fakan’ny fiangonana azy. Lavitra indraindray ny toerana alehan’ireo mpamily, ka faly ireo rahalahy any an-toerana mampiantrano azy ireny, mba hialany sasatra, alohan’ny hanohizany ny diany.

Tsy mandany vola kokoa izany, sady faly ireo rahalahy mahazo ny boky sy gazety ara-potoana sady tsy simba. Mahatsapa ho akaikin’ny fandaminana koa izy ireo, satria mifandray matetika amin’ny rahalahy avy eto amin’ny sampana. Maro no faly na dia noho ny fahitana fotsiny an’ireo kamiao mandalo misy anaran’ny fikambanana aza.

Efa fitoriana vita ho azy io fandaharana io. Nisy tondra-drano tany Bicol, any atsimon’i Luçon, indray mandeha, rehefa nanatitra boky tany ireo rahalahy. Tsy afaka nandeha ny fiara, satria niakatra ny rano. Sendra tafajanona teo anoloan’ny tranona rahalahy ny fiara nitondra ireo boky. Hitan’ilay fianakaviana izany, ka hoy izy tamin’ireo mpamily: “Mandrosoa ato aminay hisakafo sy hiantrano mandra-pihenan’ny rano.”

Tsy nahita toerana hisakafoana sy hatoriana ireo mpamily tsy Vavolombelona. Nanontany toy izao an’ireo mpamily fiaran’ny Betela izy ireo, rehefa nahita izay nitranga: “Havanareo angaha ireo?”

Hoy ireo rahalahy: “Rahalahinay ara-panahy ireo.”

Hoy ireo mpamily tsy Vavolombelona: “Hafa mihitsy ianareo Vavolombelona an! Mifampatoky ianareo, na dia izao aza vao nifankahita.”

Any ivelan’i Philippines

Andeha isika izao hijery vetivety ny zava-misy tany ivelan’i Philippines sy ny fiainan’ireo teratany eto mipetraka any. Nisy nilaza fa “tsy nilentika mihitsy ny masoandro” tany amin’ireo tany notapahin’ny Fanjakana Britanika fahiny, satria tena nidadasika ilay fanjakana. Lazaina kosa anefa ankehitriny hoe: “Tsy milentika mihitsy ny masoandro amin’ireo teratanin’i Philippines.” Kely mantsy i Philippines, nefa ana hetsy ny olona avy eto mipetraka any an-tany hafa, noho ny asa, na noho ny antony hafa. Tany ny sasany no nianatra ny fahamarinana. Efa Vavolombelona kosa ny hafa, ka nanampy olon-kafa tany.

Mpanolo-tsaina momba ny seranam-piaramanidina, ohatra, i Ricardo Malicsi. Nitety tany niaraka tamin’ny vadiny izy, noho ny asany, ka nanararaotra izany mba hiresahana ny vaovao tsara tany amin’ny tany vitsy mpitory. Tsy nalalaka ny asa fitoriana tany amin’ny tany sasany nalehan’izy ireo. Faly nanampy olona maro hahafantatra an’i Jehovah izy ireo, rehefa tany Bangladesy, Iran, Ouganda, ary Tanzania. Nanampy tamin’ny fanorenana fiangonana mihitsy izy ireo indraindray. Anisan’ny tany nalehan’izy ireo koa i Laos sy Myanmar ary Somalia. Nanao izany nandritra ny 28 taona izy ireo, talohan’ny nandehanan’i Ricardo nisotro ronono. Tena faly izy ireo nandray anjara toy izany tamin’ny fanaparitahana ny vaovao tsara tany an-tany lavitra!

Tsy Vavolombelona ny sasany rehefa niala teto mba hiasa tany an-tany hafa, nefa nahita ny fahamarinana tany. Niasa tany Moyen-Orient i Rowena, izay katolika, ary nanomboka namaky Baiboly tany. Maro ny olona avy eto no miasa an-trano any Hong Kong, ka nahita asa tany koa i Rowena avy eo. Hoy izy: “Nivavaka isan’alina aho, mba hisian’ny olona hitarika ahy ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Voavaly io vavaka io, rehefa nisy misionera roa tonga hanampy an’i Rowena hianatra Baiboly, dia i John sy Carlina Porter. Nanoratra tamin’ny sampan’i Philippines i Rowena, mba hilazana ny zavatra niainany. Nangataka koa izy mba handefasana olona hitsidika ny vadiny, izay mbola teto Philippines, sy hanazava ny Baiboly taminy.

Betsaka ny teratany avy eto miara-monina any an-tany hafa. Tsy ampy ny mpiasa tamin’ny toeram-pambolena tany Hawaii, teo am-piandohan’ireo taona 1900, ka maro ny olona avy eto no nankany. Izy ireny no anisan’ny voalohany nanaiky ny fahamarinana tany Hawaii. Misy fiangonana folo miteny iloko sy iray miteny tagalog izao any Hawaii.

An’arivo ny olona avy eto no mipetraka any Etazonia. Maro amin’izy ireny no Vavolombelona. Niforona tamin’ny 1976 tany Stockton, any Kalifornia, ny fiangonana voalohany mampiasa teny avy eto Philippines. Hoy ny sampan’i Etazonia: “Mandroso be ny fitoriana amin’ireo olona avy any Philippines, ka nisy fiangonana maromaro nitambatra ho faritra iray mihitsy tamin’ny 3 Septambra 1996.” Nisy fiangonana 37 mampiasa teny avy eto Philippines, tamin’ny taom-panompoana 2002, ka 2 500 ny mpitory, eo ambany fiandraiketan’ny sampan’i Etazonia. Misy fiangonana na antoko-mpitory miteny tagalog koa any Alaska, Alemaina, Aostralia, Aotrisy, Guam, Italia, Kanada, ary Saipan.

Mila ny sakafo ara-panahy adika eto amin’ny sampan’i Philippines ireny rahalahy mipetraka any an-tany hafa ireny. Misy fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny teny iloko na tagalog, any Guam sy Hawaii ary Etazonia. Avy eto Philippines daholo ny zavatra rehetra voadika ampiasaina amin’ireny fivoriambe ireny, anisan’izany ny kasetin’ny fampisehoana tantara.

Fitoriana amin’ny olona mampiasa fiteny hafa

Efa nitoriana matetika ny ankamaroan’ny olona mampiasa ny fiteny eto Philippines. Niezahana anefa tato ho ato ny nitory tamin’ny olona mbola tsy nitoriana firy.—Rom. 15:20, 21.

Vitsy ny fiangonana niteny anglisy teto Philippines, nandritra ny taona maro. Maro be ny olona mahazo teny anglisy, nefa tsy tena mahay tsara. Nisy toerana nilana fivoriana tamin’ny teny anglisy anefa, tamin’ny faran’ireo taona 1960. Anisan’izany ny tany akaikin’ny tobin’ny tafika ana habakabaka amerikanina, tany Pampanga. Tsy nahay ny fiteny ampiasaina eto ireo anabavy nanambady miaramila amerikanina. Nandamina fivoriana tamin’ny teny anglisy àry ireo rahalahy, ka tena nanampy tokoa izany.

Nisy olana toy izany koa teto Manille. Nisy anabavy amerikanina nipetraka teto, tamin’ny faramparan’ireo taona 1970 sy voalohandohan’ireo taona 1980. Nilaza toy izao i Pacifico Pantas, anti-panahy tao amin’ny fiangonana niteny tagalog, nisy an’ilay anabavy: “Nampalahelo ahy ilay anabavy, satria nivory foana izy, nefa tsy tena azony izay nolazaina tao am-pivoriana.” Nisy Amerikanina hafa tonga koa tao amin’ilay fiangonana. Naroso ny hevitra mba hanaovana lahateny sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy. Natao izany, ary ny Rahalahy Pantas no nitarika ny fivoriana. Natao koa ny fivoriana hafa tatỳ aoriana, ary nisy rahalahy hafa nasaina hanampy. Nanaiky ilay fanasana i David sy Josie Ledbetter, izay nanompo teto amin’ny sampana. Lasa fiangonana roa io antoko-mpitory miteny anglisy io, rehefa nandeha ny fotoana.

Nanampy olona maro ny fiangonana miteny anglisy. Anisan’izany i Monica, avy any Kalifornia. Tany izy no nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohitra mafy ny ray aman-dreniny, izay katolika be. Tapa-kevitra izy ireo ny handefa an’i Monica teto Philippines, satria hoe tany katolika eto. Nanatitra an’i Monica teto Manille ny reniny, ary namela azy tany amin’ny renibeny, izay katolika. Tsy nomeny an’i Monica anefa ny pasipaorony. Nahita Vavolombelona i Monica, nefa tsy afaka nanohy ny fianarany, satria tsy nahay teny tagalog, noho izy notezaina tany Etazonia. Niantso an’i Josie Ledbetter anefa ilay anabavy nampianatra an’i Monica tany Etazonia, mba hitadiavany olona hampianatra an’i Monica. Nilaza i Josie fa efa nisy fiangonana miteny anglisy izao. Izay indrindra no nilain’i Monica! Hoy i Josie: “Natao batisa i Monica tao anatin’ny enim-bolana nandefasan-dreniny azy teto Philippines. Hoy ny reniny, tapa-bolana taorian’ny batisany: ‘Iny ny pasipaoronao, fa modia amin’izay.’ Efa Vavolombelona anefa i Monica tamin’izay.” Nankasitrahan’i Monica tokoa ilay fiangonana miteny anglisy!

Anisan’ny soa noraisina koa ny fanombohana nitory tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana mihitsy. Misy tanàna maro eto Manille ipetrahan’ny olona mpanan-karena, ary miteny anglisy ny ankamaroany. Ny teny anglisy àry no nahafahana nanokatra ireny faritany ireny.

Niezahana nosokafana koa ny faritany miteny sinoa. Nisy fianarana boky tamin’ny teny sinoa niforona tany antenatenan’ireo taona 1970. Natao tao amin’ny fivarotan-kiraron’i Cristina Go izy io. Vitsy kely anefa ny mpanatrika, ka nila fanampiana.

Nanompo tany Hong Kong nandritra ny 16 taona i Elizabeth Leach. Tonga teto Philippines izy, talohan’ny nanambadiany an’i Raymond Leach, izay misionera. Nanampy tokoa i Elizabeth, satria nahay teny kantôney sady efa zatra nanampy sinoa. Iray tamin’ireo mpisava lalana manokana roa voatendry tamin’izany koa i Esther Atanacio (Esther So ankehitriny). Hoy i Esther: “Tsy nahafantatra Vavolombelon’i Jehovah ny olona, tamin’izahay nitory voalohany tao.” Nahafantatra tsikelikely ny anaran’i Jehovah sy ny vahoakany anefa ny Sinoa nipetraka teto Manille.

Nahay teny kantôney ireo mpisava lalana, nefa tsy maintsy nianatra tenim-paritra hafa, dia ny fou-kien, izay fitenin’ny Sinoa eto Manille. Nanomboka nifanerasera tamin’ilay antoko-mpitory i Ching Cheung Chua, tovolahy vaovao tao amin’ny fahamarinana. Nahay teny fou-kien izy, ka nasaina nandika teny tamin’ireo fivoriana tamin’ny voalohany.

Nandroso tsikelikely ilay antoko-mpitory. Nisy fiangonana kely niforona tamin’ny Aogositra 1984. Maro ny olana, nefa faly ireo mpitory manompo ao amin’io faritany tsy nitoriana loatra io.

Afaka “mandre” koa ny marenina

Toa sitrapon’i Jehovah koa ny hijerena akaiky ny fitoriana amin’ny marenina, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nisy ezaka natao mba hianaran’ny marenina momba an’i Jehovah mihitsy, tany am-piandohan’ireo taona 1990. Tena vitsy ny marenina nifanerasera tamin’ny fiangonana, nefa nisy toe-javatra hafakely indraindray. Zanaka Vavolombelona i Manuel Runio. Anabavy no nampianatra azy ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny alalan’ny fanoratana izany tamin’ny taratasy. Natao batisa tamin’ny 1976 i Manuel. Samy marenina koa i Lorna sy Luz, kambana mirahavavy tany amin’ny nosy Cebu. Ny dadatoany, izay jamba, no nampianatra azy ny fahamarinana. Ahoana no nahafahan’ny mpisava lalana jamba nampianatra olona marenina? Nanampy azy ny zanaky ny rahavavin-dreniny, ka sary no nampiasainy. Ilay mpanampy koa no manao fihetsika azon’izy mirahavavy, satria tsy tena nianatra ny baikon’ny moana ry zareo. Natao batisa tamin’ny 1985 izy roa vavy. Vitsy anefa ny olona nampiana toy izany.

Maro ny antony nanombohana ny fitoriana tamin’ny marenina. Nandray fiofanana tany amin’ny Betelan’i Brooklyn i Dean sy Karen Jacek, misionera, tamin’ny 1993. Nanontanian’ny tao amin’ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny izy ireo hoe inona no efa natao mba hanampiana ny marenina teto Philippines. Nianatra baikon’ny moana ny anabavy tanora iray, satria te hifandray tamin’ny ankizivavy iray zanaka Vavolombelona, izay marenina. Nahita marenina koa i Liza Presnillo sy ny mpisava lalana namany tao Navotas, eto Manille, nefa tsy hain’izy ireo ny niresaka tamin’izy ireny. Nieritreritra ny hianatra baikon’ny moana izy ireo, mba hahafahany hitory tamin’ny marenina.

Ren’ny sampana fa miasa amin’ny sekolin’ny marenina i Ana Liza Acebedo, mpisava lalana maharitra teto Manille, ary anisan’ireo Vavolombelona vitsy nahay tsara ny baikon’ny moana. Nanontaniana izy hoe: “Vonona hampianatra baikon’ny moana ho an’ny Betelita vitsivitsy ve ianao?”

Nanaiky izy! Matetika izy no efa nieritreritra ny fomba hitoriana amin’ny marenina. Natomboka ilay fianarana, ka Betelita sy mpisava lalana maharitra no mpianatra. Efa nianatra baikon’ny moana ireo anabavy tany Navotas, ary nanohy izany ihany.

Nandroso haingana be ny fanampiana ny marenina. Afaka enim-bolana monja dia efa nisy nandika tamin’ny baikon’ny moana ny fivoriana tany amin’ny fiangonana telo teto Manille. Nadika koa ny fivoriambe, nanomboka tamin’ny 1994. Ny hanampy zanaka Vavolombelona marenina no anisan’ny tanjona voalohany. Maro tamin’izy ireny no anisan’ireo marenina voalohany natao batisa. Faly i Manuel Runio noho ireny fandaharana ireny, satria efa ela izy no nivory, na dia tsy nisy nandika ny fivoriana tamin’ny baikon’ny moana aza.

Nangataka fanampiana koa ny tany an-toeran-kafa, tsy ela taorian’izay. Nirahina ho mpisava lalana manokana tsy maharitra tany Olongapo i Liza Presnillo sy ny namany, mba hitory tamin’ny marenina. Maro no nahazo fanampiana. Nisy antoko-mpitory mampiasa baikon’ny moana niforona tany amin’ireo firaisana 20 nanodidina an’i Manille, tamin’ny tapatapaky ny 2002. Fandrosoana niavaka ny fiorenan’ny fiangonana voalohany mampiasa baikon’ny moana teto Manille, tamin’ny Aprily 1999. Anti-panahy ao amin’io fiangonana io i Joel Acebes, iray tamin’ireo Betelita nianatra ny baikon’ny moana. Hoy izy: “Faly izahay satria ampiasain’i Jehovah amin’io asa tena lehibe io.” Afaka “mandre” ny hafatra momba ilay Fanjakana koa àry ny marenina. Mahafaly tokoa ny mahita ny fandrosoan’io faritany tsy nitoriana taloha io.

Nilaina ny trano lehibe kokoa

Maro ny faritany vaovao nosokafana tamin’ireo taona 1990, ary niasana tsara kokoa ny hafa. Nihamaro àry ny mpitory sy ny vaovao niaraka tamin’ny fiangonana. Maro kokoa ny gazety nilaina, ary nitombo ireo boky sy bokikely nadika tamin’ny fiteny maro ampiasaina eto Philippines. Vokatr’izany, dia nitombo be ny mpiasa teto amin’ny sampana, mba hanao fanontam-pirinty, handika teny, sy hanao asa hafa ho an’ireo fiangonana. Feno ilay trano fonenana, tsy ela taorian’ny nahavitany tamin’ny 1991. Natao ho an’olona 250 izy io, nefa nisy 350 ny mpianakavin’ny Betela, tamin’ny 1999.

Mbola nalalaka ny tanin’ny sampana, ka neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanorenana trano fonenana iray hafa, mitovy amin’ilay vita tamin’ny 1991. Tamin’ny 1999 ka hatramin’ny faran’ny 2001 no nanorenana azy io. Nitombo efa ho avo roa heny àry ny trano fonenana. Maro kokoa ny birao mba hikarakarana ny fitomboan’ny asa teny amin’ny saha. Nisy fanasan-damba lehibe kokoa, sy efitra fianarana iray ho an’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary fitahirizam-boky tsara kokoa. Niaraka tamin’ny mpianakavin’ny Betela ny mpiasa mahay avy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, mba hamita ilay asa. Nijanona mba hanao ny fanavaozana an’ilay trano vita tamin’ny 1991 ireo mpiasa, rehefa vita ilay vaovao. Maro ny asa tafiditra tamin’izany, nefa iray ihany ny zava-kendrena, dia ny hanorenana trano hikarakarana ny fitoriana momba ilay fahamarinana mamonjy aina.

Fanampiana nentin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

Natomboka tany Etazonia tamin’ny 1987 ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Maro ny rahalahy teto Philippines no nieritreritra hoe: ‘Mba hahazo an’io fampiofanana io koa ve isika indray andro any?’ Tonga tamin’ny 1993 ny valin’izany, rehefa nampandrenesina fa hanomboka herintaona taorian’izay ilay sekoly. Hanome fampiofanana fanampiny ho an’ireo rahalahy mahay io sekoly io. Mety ho efa anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy ireo. An-jato no nangataka hanatrika azy io.

Nampiofanina mba hampianatra tamin’ilay sekoly ny mpiandraikitra mpitety faritany roa sy misionera iray. Nanomboka tamin’ny Janoary 1994 ny kilasy voalohany. Nanjary nahay nanompo kokoa an’ireo rahalahy eny anivon’ny fiangonana ireo nampiofanina. Misy rahalahy nahazo diplaoma tamin’io sekoly io ao amin’ny fiangonana iray, ka hoy ireo rahalahy: “Hafa mihitsy izao ny fomba anaovany ny anjarany amin’ny fivoriana.”

Maro ny mpianatra nanao sorona ara-bola, mba hanatrehana an’io fampiofanana ara-panahy io. Nianatra ho injenieran’ny simia i Ronald Moleño. Nasaina hanatrika an’ilay sekoly izy, nefa tamin’io fotoana io koa no nanolotra asa ho azy ny orinasa iray. Homena karama be, trano sy fiantohana, ary tombontsoa hafa izy, hoy ilay orinasa. Nandinika tsara i Ronald, ka naleony nifidy ny tombontsoa ara-panahy. Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-18 izy, ary faly manohy ny fanompoan’ny mpisava lalana. Vao haingana izy no nasaina hanao misionera any Papouasie-Nouvelle-Guinée.

Tsy maintsy nanapa-kevitra i Wilson Tepait, taorian’ny nanatrehany ny kilasy voalohany. Mpampianatra tsara karama izy, nefa nasaina hanao mpisava lalana manokana tany amin’ny faritra nilana mpitory maro kokoa. Hoy izy: “Tiako ny asa fampianarana, nefa fantatro fa tokony ho voalohany eo amin’ny fiainako ilay Fanjakana.” Nanao mpisava lalana manokana izy, ary notahin’i Jehovah ny fanompoany. Mpiandraikitra ny vondrom-paritra any atsimon’i Philippines izy izao.

Avy eto Philippines ny ankamaroan’ireo mpianatra. Nanasa mpianatra avy amin’ny tany aziatika koa ny Filan-kevi-pitantanana, ka nisy tonga avy any Hong Kong, Indonezia, Kambodja, Malezia, Népal, Sri Lanka, Tailandy. Avy any amin’ny tany andrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany tamin’ireo mpianatra. Tena nampahery azy ireo ny fiarahany. Hoy i Anibal Zamora, mpampianatra tao amin’ilay sekoly: “Tantarain’ireo mpianatra avy any amin’ny tany andrarana ny asa ny fomba nitokisan’izy ireo tamin’i Jehovah tamin’ny toe-javatra rehetra. Nampahery an’ireo mpianatra avy eto Philippines izany.” Hitan’ireo mpianatra avy any an-tany hafa koa fa nanompo an’i Jehovah tao anatin’ny toe-javatra sarotra ireo rahalahy sahirana ara-pivelomana avy eto Philippines.

Hoy i Nidhu David, mpianatra avy any Sri Lanka: “Fahatsiarovana mamy ho ahy ireo roa volana nampiofanan’i Jehovah Andriamanitra anay. Tena nahafinaritra e!”

Eto amin’ny Betela no misy ny trano anaovana ilay sekoly. Manampy an’ireo mpianatra ilay fianarana, ary hitany mivantana koa ny fomba fandaminana ny asan’ny sampana. Mahita oha-pinoana hotahafina izy ireo, rehefa mifanerasera amin’ireo rahalahy sy anabavy tia zavatra ara-panahy eto amin’ny Betela. Mahita ny fandaminana amin’ny ambaratonga lehibe kokoa ireo rahalahy avy any amin’ny tany vitsy mpitory, na misy fandrarana.

Nisy 922 ireo mpianatra nahazo diplaoma tamin’ireo kilasy 35 notarihina hatramin’izao. Mpiandraikitra mpitety faritany ny 75 amin’ireo rahalahy avy eto Philippines nahazo diplaoma, ary maro kokoa noho izany no mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana amin’ireo faritra 193 misy eto. Enina no manompo eto amin’ny Betela, ary folo no misionera any Papouasie-Nouvelle-Guinée sy Mikronezia. An-jato no mpisava lalana maharitra any aminy, na any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Nisy 65 000 ny natao batisa teto Philippines, tao anatin’ireo valo taona nisian’ilay sekoly. Tia ny asan’ny mpisava lalana ireo rahalahy, ary mitombo ireo fiangonana, amin’ny ankapobeny. Tena mampihatra izay nianarany tamin’ilay sekoly ireo rahalahy, ka anisan’ny niteraka fandrosoana izany.

Fandrosoana

Mahagaga ireo zava-bita manerana an’i Philippines. Be zotom-po ireo rahalahy any amin’ny fiangonana efa ho 3 500, ary variana mitory ny vaovao tsaran’ilay fitondrana tsara indrindra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mampahery be ireo tatitra vao haingana. Nisy tampon’isan’ny mpitory foana isam-bolana tamin’ireo fito volana farany tamin’ny 2002. Nisy 142 124 ny mpitory tamin’ny Aogositra. Ampahafantarina ny olona any amin’ireo nosy ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany. Tanterahin’ny mpanompon’i Jehovah ny Isaia 24:15 manao hoe: ‘Mankalaza ny anaran’i Jehovah ny any amin’ny moron-dranomasina [na nosy].’

Anisan’ny mpitory mazoto ireo mpisava lalana maharitra an’arivo. Nisy 307 izy ireo tamin’ny 1950, fa 21 793 kosa tamin’ny Aprily 2002. Raha atambatra amin’ireo ny mpisava lalana manokana 386 sy mpisava lalana mpanampy 15 458 tamin’io volana io, dia manome 37 637, izany hoe efa ho ny ampahatelon’ny mpitory no nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana. Maro koa no nampiseho fa maniry ho anisan’ny mpanompon’i Jehovah manontolo andro izy ireo. Nisy 5 638 ny fangatahana ho mpisava lalana maharitra nekena, tamin’ny taom-panompoana 2002.

Tsara ny vokatr’izany rehetra izany. An’arivo ny olona mbola manaiky ilay hafatra. Nisy 430 010 ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ny Martsa 2002. Efa ho 100 000 ny fampianarana Baiboly tarihina isam-bolana. Nisy 6 892 ny mpianatra vaovao natao batisa, tamin’ny taom-panompoana 2002. Vavolombelona 1 isaky ny olona 5 359 no teto Philippines tamin’ny 1948, fa 1 isaky ny 549 kosa izany ankehitriny. Mbola maro no avelan’i Jehovah ho tonga mpidera azy, ka azo inoana fa mbola hisy an’arivo izany atỳ amin’ireo nosin-dranomasina.

Tapa-kevitra ny handroso hatrany

Vitsy ny voan’ny fahamarinana nafafy teto Philippines, rehefa nitsidika teto i Charles Russell, tamin’ny 1912. Nitombo tsikelikely anefa izy ireny, ka namoa ihany. Nisy ny vokatra, rehefa nisy olona nanaiky ny fahamarinana, na tamin’ny fotoana mora, na tamin’ny fotoan-tsarotra. (2 Tim. 4:2) Taorian’ny Ady Lehibe II indrindra no tena nisy fitomboana, ary mitohy hatramin’izao izany. An’alina ireo mpidera an’i Jehovah mazoto. Faly izy ireo midera ny anaran’i Jehovah miaraka amin’ireo vahoakany enina tapitrisa eran-tany.

Nasehon’ity tantara ity fa tsy mora ilay asa indraindray. Tsara tarehy i Philippines, nefa nisedra ny zotom-pon’ny mpitory ilay Fanjakana ny fitadiavana olona tany amin’ireo nosy maro. Misy misetra ranomasina manonja be mba hitoriana tany amin’ny nosy lavitra. Maro no namakivaky tendrombohitra avo feno kirihitra, mba hitadiavana olona toy ny ondry. Matetika loatra ireo nosin’i Philippines no iharan’ny hetraketraky ny natiora, toy ny horohoron-tany, tondra-drano, rivo-doza, ary volkano, nefa tsy nampijanona ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika izany.

Toy ireo Isiraelita namerina ny fivavahana marina izy ireo. Be ny fanoherana, nefa i Jehovah no nataon’izy ireo ho fiarovana mafy ho azy. Nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny koa fa mahay miarina sy mitoky amin’Andriamanitra izy ireo. Fantany fa momba azy i Jehovah, ary inoany ny Salamo 121:7 manao hoe: “Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra; eny, hiaro ny fanahinao Izy.” Manantena ny hanampy olona maro araka izay azo atao izy ireo, alohan’ny faran’ity tontolo ity, noho ny fanampian’i Jehovah. Aorian’izay, dia hampianatra olona an-tapitrisa natsangana tamin’ny maty eran-tany izy ireo, anisan’izany ireo avy amin’ireo nosy 7 100 eto. Hamirapiratra ny hatsaran-tarehin’i Philippines amin’izay, ho fiderana an’ilay Mpamorona.

Tapa-kevitra ny handroso ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-pahatongan’izay, ary matoky tanteraka fa mitahy ny asan’izy ireo i Jehovah. Miezaka hanaraka ireto tenin’ilay mpaminanin’Andriamanitra ireto izy ireo: “Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.”—Isaia 42:12.

[Teny notsongaina, pejy 232]

“Tena arovan’Andriamanitra ianao, matoa tsy maty hatramin’izao”

[Efajoro, pejy 153]

Famafazana ny Voan’ny Fahamarinana Voalohany

Nitsidika an’i Philippines i Charles Russell sy ny mpiara-dia taminy, tamin’ny 1912. Izy ireo no solontenan’ny foibe any Brooklyn nirahina voalohany hankatỳ. Asehon’ny tatitra anefa fa efa nisy Mpianatra ny Baiboly roa teto Philippines tamin’izay, ary efa nampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny olona izy ireo. Hoy ny nosoratan’i Louise Bell, avy any Etazonia:

“Nankany Philippines izahay mivady tamin’ny 1908 ary mpampianatra izahay tany. Izahay irery no Amerikanina tao Sibalom. Nanafatra taratasy mivalona ara-baiboly an-jato kilao avy tany Brooklyn izahay. Nalefa sambo avy tany New York ho any San Francisco izy ireo, ka namakivaky an’i Pasifika mba ho any Manille, ary farany dia avy tao Manille hatrany Sibalom.”

“Nizara an’ireny taratasy mivalona ireny izahay ary niresaka tamin’ny mponina isaky ny nanam-potoana sy fahafahana. Tsy nandray an-tsoratra ny ora laninay na ny zavatra napetrakay izahay. Katolika ny mponina any, nefa maro no faly nihaino anay. Mpampianatra izahay ary nahay nitsabo koa, kanefa mpitory ny vaovao tsara izahay, voalohany indrindra.”

“Nandeha an-tongotra na nitaingin-tsoavaly teny amin’ireo lalan-dratsy izahay. Natory tamin’ny gorodona volotsangana izahay indraindray ary niara-nihinana vary sy trondro tao anaty vilia iray ihany.”

“Nandefasanay telegrama ny Pasitera Russell, tamin’izy tonga tao Manille, tamin’ny 1912.”

Nanatrika ny lahatenin’ny Rahalahy Russell momba ny hoe “Aiza moa Ireo Maty?”, tao amin’ny Trano Fanaovana Opéra tao Manille, ny Anabavy Bell.

[Efajoro, pejy 156]

Indray Mitopy Maso An’i Philippines

Ilay tany: Misy nosy 7 100 eo ho eo eto, ary 300 000 kilaometatra toradroa eo ho eo ny velaran’izy rehetra mitambatra. Misy 1 850 kilaometatra manelanelana ny nosy farany avaratra sy ny farany atsimo, ary 1 125 kilaometatra manelanelana ny nosy farany atsinanana sy ny farany andrefana. Samy hafa ny haben’izy ireo: Somary lehibe kokoa noho i Portogaly ny lehibe indrindra, ary tsy hita akory ny kely indrindra, rehefa misamonta ny ranomasina.

Ny mponina: Taranaka Malezianina ny ankamaroany, nefa misy koa taranaka Sinoa sy Espaniola ary Amerikanina.

Ny fiteny: Misy fiteny am-polo eto Philippines. Ny be mpiteny indrindra dia ny teny bicol, cebuano, hiligaynon, iloko, pangasinan, samar-leyte ary tagalog. Ny teny anglisy sy ny teny pilipino avy amin’ny tagalog, no fiteny ofisialy.

Ny fivelomana: Isan-karazany ny asa fivelomana ao amin’ireo tanàn-dehibe, fa any ambanivohitra kosa dia mpamboly sy mpiompy na mpanjono ny olona. Ahitana voly vary, fary, akondro, voaniho ary mananasy hatraiza hatraiza.

Ny sakafo: Mazàna no misy vary isaky ny sakafo. Fihinana matetika koa ny trondro sy hazan-dranomasina hafa ary koa ny legioma sy voankazon’ny tany mafana.

Ny toetrandro: Toetrandron’ny tany mafana no hita eto, ary mitovitovy ny hafanana manerana ireo nosy. Tany be orana koa eto.

[Efajoro/Sary, pejy 161, 162]

Mitantara i Hilarion Amores

Teraka: 1920

Batisa: 1943

Mombamomba Azy: Nianatra ny fahamarinana nandritra ny fotoana nifehezan’ny Japoney ilay tany, tamin’ny Ady Lehibe II. Vitsy ny Vavolombelona teto Philippines tamin’izany.

Natao batisa tamin’ny fotoan’ny ady aho. Mbola afaka nitory isan-trano izahay tamin’izay. Tsy maintsy nitandrina anefa izahay, satria niahiahy anay ny olona. Tsy maintsy nandositra nankany ambanivohitra izahay tamin’ny farany, nefa niverina tao Manille indray tamin’ny 1945.

Nahazo tombontsoa handika Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny tagalog aho tamin’izany. Tsy maintsy niasa hatramin’ny roa maraina mihitsy izahay indraindray. Natao kopia izay zavatra voadika ary nalefa tany amin’ireo Vavolombelona. Nilana fandavan-tena be izany, nefa tena faly izahay satria nahazo sakafo ara-panahy ireo rahalahy.

Hitako nandritra ireo taona naha tao amin’ny fahamarinana ahy, fa be famindram-po i Jehovah. Tena miahy ny vahoakany izy, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo. Tadidiko ny fanampiana nalefa teto Philippines taorian’ny ady. Firifiry akory moa ny kiraro sy pataloa ary fitafiana hafa nomena an’ireo rahalahy! Tena nankasitrahan’ireo mpisava lalana ny fanampiana nomena azy, ka maro no vao mainka niezaka kokoa teo amin’ny fanompoany. Miahy ny vahoakany tokoa i Jehovah, ary manome izay ilainy.

[Efajoro/Sary, pejy 173, 174]

Misionera Tian’ny Rehetra

Neal Callaway

Teraka: 1926

Batisa: 1941

Mombamomba Azy: Efa Vavolombelona ny ray aman-dreniny, tamin’izy teraka. Nanao ny fanompoana manontolo andro izy, raha vao nahavita ny fianarany tany amin’ny lise. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-12 tamin’ny Sekolin’i Gileada ary notendrena teto Philippines, ka mpiandraikitra mpitety faritany teto.

Misionera be zotom-po i Neal Callaway, ary tena tian’ireo rahalahy. Olona miramiran-dava izy, nefa nitandrina tsara rehefa nanao ny asan’ilay Fanjakana. Nanompo hatraiza hatraiza izy teto. Hoy izy momba ny fitetezam-paritany nataony:

“Nianika havoana izahay indraindray nandritra ny adiny roa, mandra-pahatonga tany amin’ny faritaninay, sady nihira ny hiran’ilay Fanjakana. Nisy 15 na 20 izahay, nifanao aloha sy aoriana nandeha teny amin’ireo lalan-kely, sady nihira. Tena nahafaly ahy ny toy izany, ka tsy nanenenako ny nanaiky ilay fanendrena ahy ho any an-tany hafa.”

“Nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny olona nipetraka tao amin’ireo trano bongo tany ambanivohitra aho. Nahita an’ireny olona tso-piaina ireny nipetraka tamin’ny tany sy nihaino ny teny rehetra nolazaina taminy aho. Nahita azy ireny tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho avy eo, rehefa nitsidika an’ilay fiangonana indray. Izany rehetra izany no vao mainka nahatonga ahy haniry hiezaka mafy ihany hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Nanambady an’i Nenita, anabavy avy any Mindoro, i Neal, ary niara-nanompo tamim-pahatokiana izy mivady hatramin’ny nahafatesan’i Neal tamin’ny 1985. Mbola tsapa ny fitiavan’ireo rahalahy azy, rehefa miresaka momba azy izy ireo. Hoy ny rahalahy iray: “Sady tsara fanahy ny Rahalahy Callaway no nifankahazo tsara tamin’ireo rahalahy. Hainy ny nizaka ny toe-javatra rehetra.” *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 342 Nivoaka tao amin’ny “Tilikambo Fiambenana” (frantsay) 1 Jolay 1972 ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Callaway.

[Efajoro/Sary, pejy 177]

Mitantara i Inelda Salvador

Teraka: 1931

Batisa: 1949

Mombamomba Azy: Nirahina ho misionera any Tailandy, tamin’ny Martsa 1967.

Sady faly aho no somary nanahy ihany, rehefa nahare fa hirahina ho misionera atỳ Tailandy. Be dia be koa ny fanontaniana tonga tao an-tsaiko.

Tonga teto aho tamin’ny 30 Martsa 1967. Hafahafa tamiko ilay fiteny. Misy toe-peo samihafa mantsy ilay izy: toe-peo iva, avo, midina, miakatra, ary maranitra, izay manova ny hevitr’ireo teny. Sarotra ny nianatra an’io fiteny io, nefa nanampy ahy tamim-pitiavana ireo Vavolombelona vahiny sy avy teto an-toerana.

Nanompo teto Sukhumwit aho hatramin’ny 1987. Avy eo aho dia notendrena ho any amin’ny faritany hafa. Mafy tamiko ilay hifindra, satria efa niara-niasa tamin’ireo anadahy sy rahavavy nandritra ny 20 taona aho, nefa voatery handao azy ireo. Izany aloha no tsapako tamin’izaho nifindra tany Thon Buri e! Miankina amin’ny toe-tsain’ny olona ihany anefa io. Nipetraka 12 taona tany Thon Buri aho, ary niverina teto Sukhumwit indray tamin’ny 1999. Toy ny hoe niverina nody tany amin’ny taniko, hono, aho, hoy ny misionera hafa. Amiko anefa, dia taniko daholo izay faritany rehetra anendrena ahy.

[Efajoro/Sary, pejy 178]

Fianarana Fiteny Vaovao

Benito sy Elizabeth Gundayao

Mombamomba Azy Ireo: Mpiandraikitra ny faritra teto Philippines i Benito, niaraka tamin’i Elizabeth vadiny. Nirahina ho misionera any Hong Kong izy ireo, tamin’ny 1980. Efa nanampy olona 53 hianatra ny fahamarinana izy ireo tany.

Sarotra be taminay tsy nahay ny teny sinoa ny nianatra ny teny kantôney. Tena nila niezaka mafy sy nikiry ary nanetry tena izahay.

Indray mandeha, dia te hilaza aho hoe: “Ho any an-tsena aho.” Ny voalazako tamin’ny teny kantôney anefa dia hoe: “Ho any amin’ny zezik’akoho aho.” Teny amin’ny fanompoana indray, dia faly erỳ ny vadiko nilaza hoe: “Fantatro izy”, momba ny anabavy iray fantatr’ilay tompon-trano koa. Tsy izany anefa no voalazany, fa hoe: “Hohaniko izy.” Taitra be ilay tompon-trano! Tena sarobidy aminay mivady ny fiarahanay amin’ireo olona miteny sinoa.

[Efajoro/Sary, pejy 181, 182]

Mitantara i Lydia Pamplona

Teraka: 1944

Batisa: 1954

Mombamomba Azy: Mpisava lalana manokana za-draharaha teto Philippines, ary nasaina hanompo any Papouasie-Nouvelle-Guinée, tamin’ny 1980. Efa nanampy olona maherin’ny 84 hianatra ny fahamarinana.

Tena faly aho nahazo ilay fanendrena, satria efa ela aho no naniry hanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa. Natahotra ihany anefa aho, satria izay aho vao hisaraka tamin’ny fianakaviako. Tsy nahalala firy momba an’i Papouasie-Nouvelle-Guinée aho, ary izay mba fantatro dia nampahatahotra ahy. Nampaherezin’i Neny aho hoe: “Hikarakara antsika foana i Jehovah, na aiza na aiza hanaovantsika ny sitrapony.” Nanoratra àry aho hoe nekeko ilay fanendrena.

Rehefa tonga teto aho, dia hitako fa tsara fanahy be ireo anadahy sy rahavavy, ary sariaka ny olona. Nahapetraka boky sy gazety betsaka kokoa noho ny tany Philippines aho isam-bolana. Hafa be noho ny ahy anefa ny fiteny sy ny fanaon’ny olona, ka hoy aho anakampo: ‘Hanompo eto mandritra ny taona vitsivitsy aho, dia hiverina hody ary ho mpisava lalana miaraka amin’i Neny indray.’

Nianatra ny roa tamin’ireo fiteny fampiasa indrindra eto anefa aho, ary nanaraka ny fanao sasany eto an-toerana, hany ka nanjary fantatro tsara kokoa ny olona. Hatramin’izay 20 taona mahery izay, dia nampianatra ny fahamarinana tamin’olona maro be aho teto. Misy aza nampianariko hamaky teny sy hanoratra, mba ho afaka hianatra sy hanaiky ny fahamarinana. Noho izany fitahiana izany sy ny hafa koa, dia afaka milaza marina aho fa i Papouasie-Nouvelle-Guinée izao no taniko. Faly aho raha hampiasain’i Jehovah eo amin’ny fanompoana azy, mandra-pilazany hoe vita ilay asa, na mandra-pialan’ny fofon’aiko, raha izany no sitrapony.

[Efajoro/Sary, pejy 191, 192]

Mitantara i Filemon Damaso

Teraka: 1932

Batisa: 1951

Mombamomba Azy: Nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny 1953. Nanambady avy eo, ary lasa mpiandraikitra ny faritra. Niteraka, ary nanao mpisava lalana manokana niaraka tamin’ny vadiny, rehefa lehibe ny zanany. Nanompo tany amin’ireo Nosy Visayas sy Mindanao hatramin’izao.

Sarotra ny fanompoana manontolo andro tamin’ireo taona 1960, noho ny adim-piainana tamin’izany. Kely ny sakafo, satria nopotehin’ny andiam-boalavo ny katsaka sy ny vary. Tsy afaka nitory tany an-tanàn-dehibe intsony izahay, satria efa ratsy be ny akanjo sy ny kiraronay.

Olona teny an-tanimboly àry no nitorianay, na tany an-tendrombohitra na tany ambanivohitra lavitra, ary matetika izahay no tsy nikiraro. Saika tsy nanao ny anjarako tamin’ny fivoriamben’ny faritra aho, indray mandeha, satria ratsy be ny akanjoko. Tsara fanahy anefa ny Rahalahy Bernardino, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, ka nampindraminy ahy ny lobany. Mbola betsaka aza no nahantra kokoa noho izahay. Notahin’i Jehovah izahay, satria tapa-kevitra ny hiaritra.

Tsy naman’izao tontolo izao ny Kristianina, ka voasedra noho izany izahay, tamin’ny 1982. Betsaka no nikomy tamin’ny fitondrana, teto Mindanao. Nolazain’ny tafi-panjakana fa ‘pasiteran’ny mpikomy’ aho, satria nampianariko Baiboly ireo lazaina hoe lehiben’ny mpikomy. Nohazavain’ny mpitondra fanjakana iray anefa fa avy tao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra nampianarinay, fa tsy nisy resaka politika mihitsy.

Tsy dia tian’ireo mpikomy koa aho, satria ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny miaramila aloha no niresahako voalohany, rehefa hitory ao amin’ilay tanàna aho. Tsy nataon’ireo mpikomy na inona na inona anefa izahay, satria niaro anay ny iray tamin’ireo lehibeny, izay niara-nianatra Baiboly tamiko.

Nampian’i Jehovah izahay nandritra ny am-polo taona, ka tafavoaka tamin’ireo adim-piainana sy fitsapana. Misaotra azy izahay, noho ny famindram-pony sy ny fiarovany!—Ohab. 18:10; 29:25.

[Efajoro/Sary, pejy 217, 218]

Mitantara i Pacifico Pantas

Teraka: 1926

Batisa: 1946

Mombamomba Azy: Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-16 tamin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1951. Anti-panahy eto Quezon City ankehitriny.

Vavolombelon’i Jehovah ny mpifanolo-bodirindrina taminay tany Laguna, nandritra ny Ady Lehibe II. Navelan’izy ireo hamaky ny boky tao aminy aho. Tiako ireo boky: Famoronana, Fanamarinana, Fivavahana, Fahavalo, Ankizy, sy ny maro hafa. Tafasaraka tamin’ireo Vavolombelona izahay, rehefa nodoran’ny Japoney ny tanànanay. Nihaona tamin’izy ireo tany Manille indray anefa aho, herintaona taorian’izay. Nanomboka nivory aho, natao batisa, ary niaraka tamina mpisava lalana maromaro. Ny faritr’i Tayabas manontolo (Quezon ankehitriny) no faritaninay. Nitory isan-tanàna izahay, ary tao anaty bisy tsy niasa intsony izahay no natory, na tany an-tranon’ny olona liana, na toerana toy izany.

Nanao bemidina tao Mauban ny mpiady anaty akata, rehefa nitory tao izahay. Natory tao amin’ny rihana ambony, tao amin’ny lapan’ny tanàna, izahay. Nanaitra anay ilay tabataba. Toa voafandrika ireo polisy tao ambaninay. Renay izy ireo nandatsaka ny basiny tamin’ny gorodona.

Nihazakazaka nankao aminay ireo mpiady. Nisy nitaratra tamin’ny jiro izahay, ary nanontaniany hoe: “Iza ianareo?” Mody natory izahay. Nanontany indray izy hoe: “Tsy mpitsikilon’ny tafi-panjakana ve ianareo?”

“Tsia tompoko”, hoy izahay.

Hoy izy: “Ka maninona ianareo no manao akanjo kaki?”

Nohazavainay fa fanomezana azonay ny akanjonay ary fanampiana avy tamin’ireo rahalahinay any Amerika ny kiraronay.

Hoy ilay sefon’izy ireo: “Alaiko izany ny kiraronareo.” Nesoriko àry ny kiraroko. Nalainy koa ny pataloako. Tsy ela dia kilaoty kely sisa no nanaovanay rehetra. Soa ihany fa nisy akanjo hafa nentinay. Faly aza izahay, satria nalain’izy ireo ny fitafianay. Raha tsy izany mantsy dia mety ho noheverin’ny mponina rehetra fa tena mpitsikilo izahay!

Nividy kiraro hazo izahay, ary niverina teto Manille. Avy eo dia tany amin’ireo Nosy Visayas indray izahay no nitory.

Mpanompo manontolo andro ny Rahalahy Pantas, ary mpiandraikitra ny faritra talohan’ny nianarany tany amin’ny Sekolin’i Gileada. Niverina teto Philippines, ka lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy nanompo teto amin’ny biraon’ny sampana. Nanambady sy niteraka avy eo.

[Tabilao/Sary, pejy 168, 169]

PHILIPPINES—IREO TAONA NANAN-TANTARA

1908: Nanomboka nitory tao Sibalom ny Mpianatra ny Baiboly roa avy tany Etazonia.

1910

1912: Nanao lahateny tao amin’ny Trano Fanaovana Opéra ao Manille i Charles Russell.

1934: Naorina ny biraon’ny sampana. Navoaka tamin’ny teny tagalog ny bokikely Mandosira ho Amin’ilay Fanjakana.

1940

1947: Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany.

1961: Nanomboka ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana.

1964: Nanendrena voalohany mpisava lalana avy teto Philippines ho misionera any amin’ireo tany manodidina.

1970

1978: Nanomboka ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana.

1991: Vita ary notokanana ireo tranon’ny sampana vaovao. Nipoaka ny Volkano Pinatubo.

1993: Navoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tagalog.

2000

2000: Navoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny teny tagalog.

2002: Misy mpitory 142 124 manerana an’i Philippines.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpitory

Isan’ny Mpisava Lalana

150 000

100 000

50 000

1940 1970 2000

[Tabilao, pejy 199]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpanatrika Fivoriamben’ny Vondrom-paritra (1948-1999)

350 000

300 000

250 000

200 000

150 000

100 000

50 000

0

1948 1954 1960 1966 1972 1978 1984 1990 1996 1999

[Sarintany, pejy 157]

(Jereo ny boky)

PHILIPPINES

LUÇON

Vigan

Baguio

Lingayen

Cabanatuan

Volkano Pinatubo

Olongapo

Quezon City

MANILLLE

MINDORO

NOSY VISAYAS

Masbate

CEBU

MINDANAO

Surigao

Davao

PALAWAN

El Nido

[Sary, pejy 150]

[Sary, pejy 154]

Charles Russell sy William Hall, tamin’ny fitsidihany an’i Philippines tamin’ny 1912

[Sary, pejy 159]

Joseph dos Santos sy Rosario vadiny, tamin’ny 1948. Mpitory ilay Fanjakana nazoto foana izy, na dia nogadraina sy nampijalina telo taona aza tamin’ny Ady Lehibe II

[Sary, pejy 163]

Rahalahy voalohany avy eto Philippines nanatrika ny Sekolin’i Gileada: Adolfo Dionisio, Salvador Liwag, Macario Baswel

[Sary, pejy 164]

Fandehanana any an-tendrombohitra mba hitory

[Sary, pejy 183]

An’arivo ny mpisava lalana nanatrika ny Sekolin’ny Mpisava Lalana

[Sary, pejy 186]

Nanomboka tamin’ny 1980 ny fampiasana ordinatera mba hanomanana ireo zavatra hatao pirinty

[Sary, pejy 189]

Torina amin’ny fiteny maro eto Philippines ny vaovao tsara

[Sary, pejy 199]

Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, 1993

[Sary, pejy 199]

Batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, 1995

[Sary, pejy 200]

Misionera avy eto Philippines, nandalo mba hanatrika fivoriambe

[Sary, pejy 202]

Navoaka tamin’ny fivoriambe 1993 “Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, amin’ny teny tagalog

[Sary, pejy 204]

Fampiasana ordinatera mba handikana Baiboly

[Sary, pejy 205]

Mpisava lalana falifaly mahazo ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny tenin-drazany

[Sary, pejy 207]

Komitin’ny Sampana, ankavia miankavanana: (mipetraka) Denton Hopkinson, Felix Salango; (mitsangana) Felix Fajardo, David Ledbetter, Raymond Leach

[Sary, pejy 211]

Maro ny mpitsoa-ponenana vietnamianina nianatra ny fahamarinana tamin’izy teto Philippines

[Sary, pejy 215]

Samy nanompo manontolo andro nandritra ny 60 taona mahery avy i Natividad sy Leodegario Barlaan

[Sary, pejy 222, 223]

Efitrano Fanjakana naorina vao haingana

[Sary, pejy 224]

Efitrano Fivoriambe eto Manille (ambony) sy Efitrano Fivoriambe any ivelan’i Manille

[Sary, pejy 228]

Ankavia: John Barr, nanao lahateny fitokanana ny sampana, tamin’ny 1991

[Sary, pejy 228]

Ambany: Tranon’ny sampana, tamin’ny 1991

[Sary, pejy 235]

Gazety milaza ny fandresen’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 236]

Miteraka zava-manahirana ny horohoron-tany sy volkano ary tondra-drano, nefa mitory ihany ireo mpitory mazoto

[Sary, pejy 246]

Nianatra baikon’ny moana ny mpisava lalana mazoto, mba hanampiana ny marenina handray soa ara-panahy

[Sary, pejy 246]

Mpianatra sy mpampianatra tamin’ny Sekolin’ny Mpisava Lalana natao voalohany tamin’ny baikon’ny moana, tamin’ny 2002

[Sary, pejy 251]

Kilasy faha-27 tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana