Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

TENA faly izahay manoratra ho anareo! Derainay ianareo noho ny fitiavana sy fahafoizan-tena asehonareo hatrany. Ho hitanareo ato amin’ity Diary ity fa betsaka ny zava-bita tamin’ny taom-panompoana lasa. Nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa indray isika teo amin’ny fitoriana sy fampianarana, ka nampirisika ny olona hanatona an’i Jehovah. Tsy voninahitra tokoa ve ny miara-miasa amin’ilay Andriamanitsika sady Raintsika be voninahitra any an-danitra?—1 Kor. 3:9.

Rehefa jerena ny asa miandry antsika, dia matoky izahay fa mbola ho be zotom-po sy hanam-pinoana foana, toy ireo mpanompon’Andriamanitra tantarain’ny Baiboly, ianareo. Niezaka araka izay azony natao, ohatra, ny apostoly Paoly mba hahita vokatra tamin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Toa tamin’ny taona farany nijanonany tany Efesosy no nanoratany ny taratasiny voalohany ho an’ny fiangonan’i Korinto. Hoy izy momba ny zavatra nokasainy hatao: “Hitoetra [eto] Efesosy aho mandra-pihavin’ny Pentekosta; fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.”—1 Kor. 16:8, 9.

Efa nikasa ho any Makedonia sy Korinto izy. Hitany anefa fa afaka nanampy tsara izy, raha nijanona tany Efesosy. Nanaiky hanova ny fandaharam-potoanany i Paoly, rehefa hitany fa nisy toe-javatra nety hahafahany hanao ny asan’ilay Fanjakana teo amin’ny toerana nisy azy. Nisy varavarana lehibe nivoha teo anoloany nahafahany niasa, ka nohararaotiny nidirana izany.

Nitaky asa be izany, dia asa fitoriana ny vaovao tsara sy fampaherezana ny fiangonana tany Efesosy. Hoy i Paoly tatỳ aoriana, tamin’ireo anti-panahin’io fiangonana io: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—Asa. 20:20, 21.

Maro taminareo koa, ry rahalahy sy anabavy malala no nanararaotra ny toe-javatra nisy anareo. Nisy 798 938 ny salanisan’ireo afaka nandamina ny fiainany, mba hanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana, tamin’ny taom-panompoana lasa. Nisy taminareo nandeha lavitra be, mba ho misionera. Mazoto mampiely ny vaovao tsara sy mampahery ny fiangonana ianareo. Eo koa ireo nianatra fiteny vaovao, mba hitoriana amin’ny olona miteny vahiny. Ary tsy hadino ireo nandamina ny fiainany mba hitoriana tany amin’ny faritany tsy misy tompony, na ilana mpitory maro kokoa. Nisy aza nanararaotra ny varavarana lehibe nivoha mba hiasana, ka nitory tany am-pianarana, tany am-piasana, na an-telefaonina. Hita tamin’ny tatitra naneran-tany fa mitady sy mahita fahafahana hizarana ny fahamarinana amin’ny olona rehetra ny vahoakan’Andriamanitra, na antitra na tanora.

Matokia fa hitan’i Jehovah ny ezaka ataonareo ary tena ankasitrahany. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” (Heb. 6:10) Aza avela handalo fotsiny ireo fahafahana hampandroso ny asa fitoriana. Mety ho afaka hanitatra ny fanompoany ny sasany aminareo. Afaka miezaka kosa isika rehetra mba hahita vokatra kokoa amin’ny fanompoana.

Misy fanoherana koa anefa ny fitoriantsika. Marina fa niresaka i Paoly fa nisy varavarana lehibe nisokatra mba hiasany, nefa hoy koa izy: “Maro ny mpanohitra.” Jiosy sy Jentilisa ireo mpanohitra ireo, ho an’i Paoly. Nanafika azy nivantana ny sasany taminy, fa ny hafa kosa namely azy avy tao ambadika.—Asa. 19:24-28; 20:18, 19.

Mahita zavatra toy izany koa isika. Ampoizintsika hitombo ny fanoherana, rehefa manakaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity. “Manana fahatezerana lehibe” i Satana, indrindra fa amin’ireo manompo an’Andriamanitra. (Apok. 12:12) Tadidio foana fa i Satana no “andrianan’izao tontolo izao.” Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.”—Jaona 14:30; 15:19.

Tapa-kevitra isika ny tsy hamela na iza na iza hampahalemy ny finoantsika an’Andriamanitra, na hampihena ny asa fitoriantsika. Fantatsika fa hisy olona hamely sy hanao tetika hamelezana antsika foana. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ihany anefa isika, ary matoky fa handringana an’i Satana sy ny tariny i Jesosy, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah. Tsy nahavita nampangina ny apostoly Paoly ny mpanohitra, ary tsy hampangina ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny koa. Miharihary ny herin’ny fanahin’i Jehovah eo amin’ny vahoakany, na dia eo aza ny fahatezeran’i Satana sy ny fankahalan’ity tontolo ity. Faly tokoa isika mahafantatra fa nisy 6 304 645 ny mpitory ny vaovao tsara, ary tampon’isa vaovao izany!

Mivavaka izahay mba hohararaotinareo hatrany ny fahafahana hitory ny Fanjakan’i Jehovah. Matokia fa tia sy miahy anareo izahay, eo am-piarahantsika manompo “amin’ny firaisan-kina” an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra.—Zef. 3:9.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah