Tatitra Maneran-tany
Tatitra Maneran-tany
◼ OSEANIA
Isan’ny tany: 30
Isan’ny mponina: 33 773 304
Isan’ny mpitory: 92 691
Isan’ny fampianarana Baiboly: 44 999
Mametraka boky sy gazety eo ambony latabatra ny mpitory roa, rehefa mijanona ao amin’ny gara iray any ambanivohitr’i Nouvelle-Galles du Sud, any Aostralia, ny iray amin’ireo fiarandalamby roa mpandalo eo (ny Indian Pacific sy The Ghan). Mijanona adiny roa eo ny fiarandalamby, ka afaka miresaka tsara amin’ny mpandeha ireo mpitory, ary mahapetraka boky maro. “Miverina mitsidika” azy ireo ny mpandeha sasany, rehefa handeha hody.
Matetika ny mpitondra ny The Ghan no milaza amin’ny mpandeha izay zavatra mahaliana, rehefa mijanona ny
fiarandalamby. Efa niera tamin’ireo mpitory izy, ka anisan’ny lazainy amin’ny mpandeha koa ny momba ilay latabatra fametrahana boky sy gazety. Mahita hevitra tokoa ireo Vavolombelona any ambanivohitra ireo, ka afaka mitory amin’ny mpandeha avy any Aostralia manontolo sy avy any an-tany hafa.Nametraka boky Fahalalana tamin’ny mpitondra fivavahana batista, izay efa 80 taona mahery, ny mpivady misionera any Kosrae, Mikronezia. Tamin’ny teny kosrae ilay izy, nefa tsy ampy 10 000 akory ny olona mampiasa io fiteny io. Nankasitraka an’ilay boky ilay mpitondra fivavahana. Niverina nitsidika azy izy mivady. Nilaza ilay mpitondra fivavahana fa nampirisihiny handray ny bokintsika ny mpiara-mivavaka aminy. Nanontanian’ireo misionera izy hoe nahoana. Hoy izy: “Satria tsy manome boky amin’ny fiteninay ny fivavahanay.” Mitsidika tsy tapaka an’io mpitondra fivavahana be taona io izao izy mivady.
Nasaina hampianatra Baiboly anabavy iray tsy mitory intsony ny anabavy misionera, tany amin’ny Nosy Marshall. Tsy hitan’ilay misionera izay vokatr’ilay izy, ka nanontaniany ilay anabavy hoe: “Inona no tsapanao rehefa misy olona miteny hoe tia anao?” Gaga ilay anabavy, ary namaly hoe: “Mbola tsy nisy niteny izany tamiko mihitsy.” Namihina azy àry ilay misionera sady niteny hoe: “Izaho tia anao, ary mbola tia anao kokoa aza i Jehovah.” Nitomany ilay anabavy, ka nanomboka niova ny fihetsiny tamin’i Jehovah. Nandroso ara-panahy izy, ka niezaka namaky Baiboly isan’andro, nanatrika ny fivoriana rehetra, ary nanao mpisava lalana mpanampy mihitsy. Nanao fangatahana ho mpisava lalana maharitra izy, tamin’ny Janoary 2002. Maro ny olona ampianariny Baiboly nanomboka tamin’izay, ary efa nandeha iray volana tany amin’ny nosikely iray nila mpitory izy.
Niala sasatra teny amoron-dranomasina ny misionera iray sy ny namany tany Nouvelle-Calédonie, ary nanararaotra nitory tamin’ny vehivavy iray avy any Frantsa, izay namangy fianakaviana tany. Miaramila efa niady tany Sarajevo ilay vehivavy. Nanontany
azy ilay misionera, raha ho tiany ny hiara-monina amin’olona tena mifankatia. Tian’ilay vehivavy izany, nefa noheveriny fa ny fanjakana manana tafika matanjaka ihany no ho afaka hitondra ny tena fiadanana.Nohazavain’ilay misionera fa mifankatia izy sy ny Vavolombelona namany, na dia samy hafa firenena aza, satria samy mino sy tia an’Andriamanitra izy ireo. Nahafinaritra ny tohin’ilay resaka, ary nifanao fotoana hanohy izany ny ampitson’iny izy ireo. Tonga ilay miaramila, ary nanomboka nianatra Baiboly. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra koa izy. Nitombo ny fitiavany zavatra ara-panahy, ka nianatra isan’andro izy, rehefa akaiky ho tapitra ny vakansiny. Nanatrika fivoriambe koa izy, ary nitsidika ny biraon’ny sampana. Niverina tany Frantsa izy avy eo, ary nanohy nandroso ara-panahy.
Mpitory tanora any Papouasie-Nouvelle-Guinée i Jeannie. Matetika no entiny any am-pianarana ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Nasain’ny mpampianatra anglisy nanomana famelabelarana fohy ny mpianatra, indray mandeha. Ny zava-mahadomelina sy ny toaka no foto-kevitra nofidin’i Jeannie, ka ny fizarana fahavalo tamin’ny boky Manontany ny Tanora no nakany hevitra. Talanjona ilay mpampianatra, ka nilaza hoe azon’i Jeannie “tohizina mandra-pahatapitry ny ora fianarana ilay famelabelarana”, raha tiany. Notohizin’i Jeannie tokoa ilay izy. Nanontanian’ilay mpampianatra izy avy eo, raha afaka hanao ilay famelabelarana amin’ny ankizy ao amin’ny kilasy fahafolo, ny ampitson’iny. Neken’i Jeannie izany. Rehefa vita ilay izy, dia nilaza taminy ilay mpampianatra anglisy fa mety hasainy hanao famelabelarana izy, rehefa hangatahin’ny sekoly hanao izany ny mpianatra. Nisy 64 ny boky Manontany ny Tanora nohafarana, vokatr’ilay famelabelarana nataon’i Jeannie. Nangataka bokikely Takina koa ny ankizivavy roa, ka nampianarin’i Jeannie Baiboly.
Nisy adim-poko tany amin’ny Nosy Salomon, ka maro ny rahalahy very fananana sy sahirana ara-bola. Rava ny tranon’
ny mpivady iray, nefa tapa-kevitra hiara-miasa amin’ny mpitory hafa tany amin’ny faritany tsy nisy tompony izy ireo, na dia mety handany ny tahiry keliny aza izany. Navelany hampiasaina mba handehanana tany ny lakany. Nolazain’izy mivady tatỳ aoriana fa izany no fitoriana tsara indrindra nataony hatrizay. Tamin’izay ihany izy ireo dia efa niomana hiverina hitsidika ireo olona liana. Ahoana anefa izao ny fidiram-bolany? Herinandro taorian’ny niverenany avy tany amin’ilay faritany, dia nisy lehilahy manam-bola nilaza tamin’izy ireo hoe te hividy an’ilay trano nialan’izy ireo nandritra ny ady.Matetika no nanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra ny Efitrano Fanjakana tany Santo, any Vanuatu. Tsy antonona ny mpitory intsony anefa izy io, tamin’ny 2001. Nanofa kianja teo an-tanàna àry ireo mpitory, na dia fihetsiketsehana ara-panatanjahan-tena ihany aza no natao tao hatramin’izay. Nanome toky an’ilay mpiandraikitra an’io kianja io ireo rahalahy fa hanadio azy io, aloha sy aorian’ilay fivoriambe, ary hanao fanamboarana kely koa. Mbola nataon’ilay rangahy lafo be ihany anefa ny hofany, satria noheveriny fa hanimba an’ilay kianja ireo mpanatrika.
Nanana fivarotana ilay mpiandraikitra ny kianja, ka hitany ireo Vavolombelona nividy fitaovana hanadiovana sy hanamboarana an’ilay kianja. Te hahita izay nitranga izy, ka lasa nankany amin’ilay kianja mihitsy. Gaga be izy nahita mpiasa an-tsitrapo 100 mahery, nikiky sy namafa ary nandoko an’ilay kianja sy nanamboatra ny trano fidiovana. Nanjary nalaza be eran’ny tanàna hoe voadio sy voamboatran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay kianja. Niova tanteraka ny fihetsik’ilay mpiandraikitra ny kianja, rehefa tonga handoa ny hofan’ilay kianja ireo rahalahy, taorian’ny fivoriambe. Nahenany 80 isan-jato ilay hofany, ary nilaza izy fa tsy hampandoaviny vola intsony ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa te hampiasa ilay kianja! Faly ireo mpitory 300 nahita mpanatrika 832 sy olona 13 natao batisa.
◼ AZIA SY MOYEN-ORIENT
Isan’ny tany: 47
Isan’ny mponina: 3 869 881 970
Isan’ny mpitory: 561 276
Isan’ny fampianarana Baiboly: 390 151
Faly ny sampan’i Inde mitantara ny vokatry ny vidéo nalefa tao amin’ny fandaharan’ny televiziona. Nandre momba ilay vidéo hoe Ny Baiboly—Ny Heriny eo Amin’ny Fiainanao (novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah) ny televiziona iray. Nangataka fahazoan-dalana tamin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York izy ireo mba handefa ilay vidéo ao anatin’ny fandaharana momba ny Fandriampahalemana. Nekena izany, ka nilaza ny sampan’i Inde fa “maro ny tokantrano nahita azy io”, tamin’ny fiandohan’ny 2002.
Nifanena tamin’i Benny sy Sharon, mpivady marenina, ny anabavy iray mahay baikon’ny moana tany Israely. Tsy niakatra tao amin’ilay bisy tokony handehanany hody izy, fa nitory tamin’ilay mpivady, ka nasain’izy ireo handroso an-trano. Te hahafanta-javatra fotsiny i Benny tamin’ny voalohany, nefa nanjary nahaliana azy ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka tsy ela izy dia nanatrika ny fivorian’ny fiangonana. Marenina tanteraka anefa izy, sady tsy mahita tsara, ka sarotra taminy ny nandeha tany am-pivoriana sy nahazo ny zavatra lazain’ilay mpandika baikon’ny moana. Niezaka anefa izy, sady nampifanarahiny tamin’ny fitsipiky ny Baiboly koa ny fiainany sy ny toetrany.
Niavaka ny fandrosoan’i Benny, raha jerena ny kilemany. Mamaly izy any am-pivoriana, manao lahateny velombelona amin’ny Sekolin’ny Fanompoana (misy mpandika teny), ary mpitory tsy vita batisa izy izao. Nanomboka nianatra koa i Sharon, ary mandroso, na dia tsy mandre sy tsy mahita tsara aza. Nitory tamin’ny marenina fantany koa i Benny sy Sharon.
Amin’i Fukue, anabavy any Japon, dia faritaniny ny olona hitany any am-pianaran’ireo zanany telo: Mpiara-monina, ray aman-dreny mihaona aminy any am-pianaran’ny zanany sy amin’ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Lazainy aloha ny momba azy, ary miteny tsotra fotsiny izy hoe tena manampy azy amin’ny fitaizana ny Baiboly. Ovany tsikelikely avy eo ny resaka. Mora kokoa aminy ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny manaraka. Nahita vokatra ve i Fukue? Eny, satria olona 12 izao no nampiany hatramin’ny batisa, ka mpisava lalana ny dimy amin’ireo. Miezaka mitory tsy ara-potoana i Fukue, satria izany koa no nahalalany ny fahamarinana.
Narary ny zanaky ny vehivavy iray tany amin’ny tanàna kely iray any Kazakhstan, ka maty. Maty koa ny zanany
faharoa, raha vao teraka. Nalahelo mafy izy, ary narary ka niditra hopitaly. Nandre mpitsabo mpanampy nibitsibitsika izy indray alina, ka nohenoiny tsara. Hay nivavaka ho azy sy nanonona ny anarany mihitsy ilay mpitsabo mpanampy, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nampahery azy ilay mpitsabo mpanampy ny ampitson’iny, ka nanazava momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nivoaka ny hopitaly ilay vehivavy, tsy ela taorian’izay.Dimy taona tatỳ aoriana, dia sendra nandre olona niresaka tamin’ny havany izy, ka tsaroany fa nitovy tamin’izany ny resak’ilay mpitsabo mpanampy taminy. Vavolombelon’i Jehovah mihitsy io olona io, hoy izy, ka nanatona mba hiresaka taminy izy. Natao ny fandaharana mba hianarana Baiboly. Tapa-kevitra tsy handany dimy taona indray izy, ka nazoto nianatra sy nandroso ara-panahy tsara. Tsy ela izy dia nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Eritrereto ny fifaliany tamin’ny fivoriambe voalohany natrehiny! Nihaona tany izy sy ilay mpitsabo mpanampy nampahery azy tamin’ny dimy taona lasa! Nitomany izy niteny hoe: “Mety tsy ho nanaiky ny fahamarinana aho, raha tsy noho ilay vavaka nataonao tany amin’ny hopitaly, satria tena tiako iny vavaka iny.”
Miasa amin’ny banky ny anabavy iray any Taïwan. Nitady fomba vaovao izy mba hiresahana momba ny Tenin’Andriamanitra tamin’ireo vehivavy 20 mpiara-miasa aminy. Nanomana taratasy fanasana izy tamin’ny fiatoana antoandro, indray mandeha. Nasainy izay te “hanatrika fiaraha-midinika Baiboly maimaim-poana, mandritra ny 30-45 minitra mandritra ny fiatoana antoandro.” Nolazainy hoe “hanampy anao hahafantatra zavatra fototra momba ny Baiboly” ilay dinidinika. Nosoniaviny ilay fanasana, ary napetrany teo amin’ny biraon’ny mpiara-miasa
tsirairay. Olona efatra no nanaiky ilay fanasana, ny harivan’io ihany.Ny mpiara-miasa taminy no nahatonga an’i Arun, lehilahy any Tailandy, ho liana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Tena niova ilay mpiara-miasa tamiko, hatramin’izay niarahany tamin’ny Vavolombelona, ka mba te ho toa azy koa aho.” Niloka sy nidoroka i Arun, ary efa niezaka niala tamin’izany, fa tsy afaka. Nanambady izy ary nihevitra fa hahay handray andraikitra kokoa rehefa manan-janaka. Tsy niova mihitsy anefa i Arun, na dia niteraka vavikely aza izy ireo. Hoy izy: “Tsy zakan’ny vadiko intsony ny niaraka tamiko, ka lasa izy, ary napetrany tany amin’ny nenitoanay ilay zazakely.”
Tamin’izay i Arun no nasain’ilay mpiara-miasa taminy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Nandeha izy, ary nahafinaritra azy ny fifankatiavana nisy tao, na dia tsy azony loatra aza izay voalaza tamin’ilay fivoriana. Nanatrika fivoriana foana izy taorian’izay, ary nanaiky hianatra Baiboly sy nampihatra izay nianarany. Te hampody ny vadiny izy, ka niresaka taminy momba izany. Tsy nino anefa ny vadiny hoe tena niova izy. Hoy i Arun: “Nitoriako izy, sady nasaiko hihaona tamin’ireo namako vaovao. Tsy nety anefa izy fa nolazainy hoe voafitaka aho. Namangy sy nampahery azy foana anefa aho. Nilefitra ihany izy, rehefa afaka dimy volana, ka niaraka tamiko tany am-pivoriana. Nanaiky hianatra Baiboly koa izy taorian’izay.”
Faly sy tafaray indray izao i Arun sy ny vady aman-janany. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2001, tany Bangkok, izy mivady. Ankoatra izany, dia nanaiky ny vaovao tsara koa ny zandrilahin’i Arun, izay nanana fiainana ratsy teo aloha. Mpitory tsy vita batisa izy izao.
◼ EOROPA
Isan’ny tany: 45
Isan’ny mponina: 727 550 200
Isan’ny mpitory: 1 456 309
Isan’ny fampianarana Baiboly: 647 279
Sembana i Eva, any Tirana, Albania, ka 113 santimetatra monja no halavany, nefa izy efa 25 taona. Faly manao mpisava lalana mpanampy anefa izy, na dia ihomehezan’ny olona aza ny halavany. Tsy tezitra i Eva, fa manaja olona sy mitsiky foana, ka mahamarika izany ny olona misaina. Anisan’izany ny ramatoa iray manan-janaka vavy 26 taona, izay tratran’ny fahaketrahana. Nentiny hotsaboina tany amin’ny hopitaly sy fivavahana samihafa ilay zanany. Hitany ny fifalian’i Eva, indray andro, ka tapa-kevitra ny hankany an-tranon’i Eva izy. Rehefa namoha varavarana i Eva, dia
nanontanian’ilay ramatoa raha mba afaka hampianatra Baiboly ny zanany. Mazava ho azy fa nanaiky i Eva. Nanomboka nihatsara ny fahasalaman’ilay zazavavy, ka nanatrika ilay fianarana koa ilay ramatoa. Miaraka amin’i Eva mandeha mivory tsy tapaka izao izy mianaka, ary mandroso ara-panahy.Notezaina tao amin’ny fianakaviana Vavolombelona i Benjamin, any Belzika. Naditra anefa izy, tamin’izy zatovo. Niseho ho nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy, nefa koa niaraka tamina tanora mpisotro toaka sy mpidoroka. Nihaino mozika tsy mety amin’ny Kristianina koa izy. Tsy ela dia nampijalin’ny demonia izy, ary efa safotra noho ny fisotroana be loatra. Mbola tsy niala tamin’ny zava-mahadomelina mahery ihany anefa izy. Tsy nahay nanadio vatana intsony izy, ka narary mafy. Hitany tamin’izay fa tsy niraharaha azy akory ireo noheveriny fa namany! Tamin’izay i Benjamin vao tonga saina, ka nandinika tsara ny fiainany sy ny mety ho fiafarany. Nieritreritra izy, ka tapa-kevitra ny hiverina tany amin’ireo tena tia azy, dia ny fianakaviany sy Jehovah.
Voasedra sahady anefa ny fahatapahan-keviny. Nanafika azy mafy ny demonia, ary niangavian’ilay ankizivavy niaraka taminy izy mba tsy hiaraka tamin’ny Vavolombelona. Nasain’ilay ankizivavy handresy lahatra an’i Benjamin mihitsy ny mompera sy ny mpivadi-pinoana. Tia sy naharitra nanampy an’i Benjamin anefa ny ray aman-dreniny sy ny anti-panahy, ka nanomboka tena nino an’i Jehovah izy, ary nahatsapa fa ny lalàn’i Jehovah ihany no ‘tsy misy tsiny, ka mamelombelona ny fanahy.’ (Sal. 19:7) Niova tanteraka àry izy. Nihatsara ny fahasalamany, ary tena sambatra izy izao.
Nitory teny an-dalana ny mpivady ao amin’ny fiangonana miteny frantsay any Grande-Bretagne, ka nanatona vehivavy roa avy any Zimbabwe. Nohazavain’ireo Vavolombelona Diary 2002, pejy 20. Gaga be izy mirahavavy rehefa nahita ny sarin’ny Rahalahy Muchinguri mivady, teo amin’ny pejy 21. Sarin’ny dadabe sy beben’izy ireo ilay izy! Nohazavain’izy mirahavavy fa lavitra izy ireo no nipetraka tany Zimbabwe, ka tsy nifanerasera loatra tamin’ny fianakaviana rehetra. Nangatahin’izy ireo ilay Diary. Mianatra tsy tapaka izy mirahavavy izao, satria nampahery azy ny tsy fivadihan’ny dadabe sy bebeny.
fa manolotra fampianarana Baiboly izy ireo, ary nanontaniany raha miteny frantsay ireo vehivavy roa. Nilaza izy ireo fa tsy mahay, nefa tiany ny hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ela dia nanatrika Fianarana Boky izy ireo. Tamin’ny faran’ilay Fianarana Boky voalohany natrehiny, dia nisy rahalahy nampiseho tamin’izy ireo ny tantaran’i Nathan Muchinguri, avy any Zimbabwe, hita eo amin’nyNitory tany amin’ny faritany mitokana ny anabavy roa tany amin’ny Repoblika Tseky, ka nihaona tamin’ny vehivavy tsara fanahy nampandroso azy. Efa nanana ny heviny momba ny fampianarana sasany ao amin’ny Baiboly anefa izy, anisan’izany ny dikan’ny hoe mahazo “zava-panahy”, na fanomezan’ny fanahy. (1 Kor. 14:12) Tsy nety namaky ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa izy, fa naleony ny fandikan-teny iraisam-pinoana. Toa tsy nisy vokany ilay resaka naharitra adiny iray, ary lasa nanenjika ny fiarandalamby hodiana ireo anabavy. Faly erỳ izy ireo afaka tao. Hadinon’ilay anabavy iray tao an-tranon’ilay vehivavy anefa ny Baiboliny sy ny karine keliny, ka tsy maintsy niverina tany izy ireo. Nahagaga ny zava-nitranga! Nilaza ilay vehivavy fa nojereny ny Baibolin’ilay anabavy, ary tiany ilay fandikan-teny sy ireo fanondroana andinin-teny hafa ary ny fizahan-teny. Nanontany izy raha afaka mahazo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary niara-nianatra taminy koa ny reniny.
Miasa ao amin’ny Foibem-pikarohana Momba ny Ranomasina ny anabavy iray any Reykjavík, Islandy. Mampiantrano fampiofanana momba ny fanjonoana io toerana io. Tsy ela izay, dia nisy olona 14 avy amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, nanatrika fiofanana naharitra enim-bolana. Notoloran’ilay anabavy an’ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? ireo mpiofana. Nisy tamin’ny teny sinoa, anglisy, portogey, espaniola, ary vietnamianina ilay boky. Nandray an’ilay boky daholo ireo olona 14. Gaga ilay lehilahy sy ilay vehivavy avy any Vietnam, rehefa nahita boky tamin’ny fiteniny. Hoy ilay lehilahy: “Tena tsy mampino, fa mahagaga! Fa taiza no nahazoanao an’ity e?” Efa nahafantatra an’ilay boky kosa ilay lehilahy avy any Ouganda, ka nilaza tamin’ireo namany fa tsara ilay izy. Nilaza ilay vehivavy avy any Cuba fa tiany ilay izy, satria manomboka mametraka fanontaniana sarotra momba ny fiainana ny zanany vavy 13 taona.
Talohan’ny nodian’ireo mpiofana tany aminy avy, dia nilaza tamin’izy ireo ilay anabavy fa nametraka zavatra vitsivitsy (Fahalalana 10, gazety 30, bokikely 10) tao ambony latabatra tao amin’ilay efitra fianarana izy, mba hovakin’izy ireo eny ambony fiaramanidina. Ilay latabatra no tonga dia nojeren’ilay anabavy ny alatsinainy maraina, rehefa lasa ireo mpiofana. Hoy izy: “Noheveriko fa mbola hisy ambiny ireo Fahalalana sy gazety, kanjo nadio ilay latabatra!”
Tsy liana momba an’Andriamanitra ny tovolahy iray antsointsika hoe Arthur, tany Letonia. Tsy neken’ny sainy anefa ny hoe avy tamin’ny rajako isika. Nanana olana goavana i Arthur tamin’ny 1996, ka nigadra. Nanomboka nieritreritra lalina momba ny fiainany izy tany. Nitsidika azy ny ray aman-dreniny, ka nampirisika azy hamaky Baiboly, satria mety hanampy azy izany. Nanoratra taratasy i Arthur,
tamin’ny 1998, ary nanome boky hataony lafika ilay mpigadra iray efitra taminy. Ilay hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany io boky io. Nosokafan’i Arthur ilay izy, ka tena nahaliana azy, ary voavakiny tao anatin’ny telo andro. Nanana boky Fahalalana ny mpigadra iray hafa. Nomeny an’i Arthur io boky io, rehefa hitany fa liana tamin’ny Baiboly i Arthur. Nanome adiresina Vavolombelona fantany koa izy.Nanoratra tamin’ilay Vavolombelona i Arthur, ka nanomboka nianatra Baiboly an-taratasy. Nivoaka ny fonja izy tamin’ny 2000, ka nanomboka nanatrika fivorian’ny fiangonana avy hatrany. Ary ireo ray aman-dreniny izay nampirisika azy hamaky ny Baiboly? Noresahin’i Arthur taminy ny zavatra vaovao ninoany, ka nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo. Eritrereto ny fifalian’izy telo mianaka, rehefa niara-natao batisa tamin’ny fivoriambe manokana tamin’ny Martsa 2002!
Niofana ho mpitondra fivavahana ny mpandidy iray any Espaina. Nampisafotofoto ny sainy anefa ilay fiofanana, ka niala tao amin’ilay seminera izy rehefa afaka telo taona, ary lasa tsy nino an’Andriamanitra. Tsy tena tiany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tiany ho fantatra anefa hoe nahoana ireo olona “tsy nahita fianarana loatra” ireo no mahay tsara ny Soratra Masina, fa izy kosa tsy nahay, na dia nianatra nandritra ny taona maro tany amin’ny seminera aza. Vao mainka tiany ho fantatra ny Vavolombelona, rehefa navakavahan’ny mpiara-miasa taminy tany amin’ny hopitaly izy. Fantany mantsy fa avakavahana toy izany ny Vavolombelona indraindray. Nanaiky hianatra Baiboly izy, taorian’izay. Nahagaga azy ny zavatra nianarany, ka nianatra intelo isan-kerinandro izy! Nanomboka nanatrika fivoriana rehetra koa izy, ary nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Natao batisa izy, vao tsy ela izay.
◼ AFRIKA
Isan’ny tany: 56
Isan’ny mponina: 739 543 571
Isan’ny mpitory: 915 262
Isan’ny fampianarana Baiboly: 1 550 572
Mahatonga an’ireo rahalahy any Bénin hazoto ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary efa fitoriana vita izany. Tamin’ny fitokanana Efitrano Fanjakana iray, dia nisy olon-dehibe teo an-tanàna nilaza toy izao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray: “Ny fiangonanareo no tsara indrindra eto, sady ho ny tsara indrindra foana. Nahoana aho no milaza izany, na dia katolika mafana fo aza? Vao haingana izay ny paroasinay no nomena 17 000 000 CFA [154 000 000 FMG] mba hamitana ny fiangonanay, izay naorina nanomboka tamin’ny 1950. Nahodinkodin’ny mpitondra fivavahana anefa ilay vola. Nahangona
3 000 000 CFA [26 000 000 FMG] koa ny paroasy iray mba hanorenana ny fiangonany, nefa ‘nanjavona’ koa io vola io. Izany no ilazako hoe io fiangonanareo io no tsara indrindra sady ho ny tsara indrindra foana eto an-tanàna.”Sarotra ho an’ny vaovao any amin’ny tany mifikitra amin’ny sampy ny manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny fianakaviana iray any Côte d’Ivoire, izay mivavaka isan’andro eo anoloan’ny sampiny. Nanaiky ny fahamarinana ny iray tamin’ireo zazavavy, ary tsy nety nanaraka an’ilay fivavahana intsony, ka natahotra ny fianakaviany sao hisy loza hanjo azy. Tsy nivadika anefa ilay zazavavy, ka nanohitra azy ny fianakaviana, ary nandroaka azy tsy ho ao an-trano. Tsy nanao otripo anefa izy, fa namangy an’ireo havany foana.
Nanomboka liana tamin’ny Baiboly àry ny renibeny, ary nangataka azy mba hiverina tao an-trano mihitsy. Nandroso io renibeny io, ka natao batisa teo amin’ny faha-62 taonany. Gaga tamin’ny zavatra nianaran’ilay renibeny ny renin’ilay zazavavy, ka nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra koa. Mitory amin’ny fianakaviany koa izy izao. Afaka tamin’ny fivavahan-diso àry izy telo mianaka, satria tsy nivadika tamin’i Jehovah ilay zazavavy, sady nampiseho foana fa tiany ny fianakaviany.
Mitsidika tsy tapaka ny fonja ireo rahalahy any Mozambika, mba hampianatra Baiboly an’ireo mpigadra. Vaky ny fonja iray tany, tamin’ny 2001. Tsy nety nandositra anefa ireo mpigadra nianatra Baiboly. Tsikaritr’ireo manam-pahefana izany, ka noderainy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampirisihin’izy ireo hianatra Baiboly miaraka amin’ireo rahalahy izao ny mpigadra rehetra. Nahena ny sazin’ny voafonja roa, satria tena nihatsara be ny toetrany. Manantena ny hatao batisa amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manaraka ny iray amin’izy ireo.
Tratran’ny lozam-piarakodia i Judith, 27 taona, mipetraka any Namibia, ka tsy afa-mihetsika manomboka eo amin’ny tendany no midina. Te hamono tena izy, ary nanontany tena hoe: ‘Fa nahoana no izaho no iharan’izao?’ Nitsidika azy ny olona avy amin’ny fivavahana samihafa, ary nivavaka mba hahafahany handeha indray. Rehefa tsy nivaly ny vavak’izy ireo, dia nolazainy fa nosazin’Andriamanitra i Judith. Vao mainka indray i Judith te hamono tena. Tiany ho fantatra anefa aloha ny antony anasazian’Andriamanitra azy. Nilazany àry ny reniny mba hanasa ny pasitera iray ho ao an-tranony. Niandry an’ilay pasitera i Judith, kanjo ny Vavolombelon’i Jehovah no tonga. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny boky Fahalalana izy, ary nanantena fa ho voavalin’ny Baiboly ny fanontaniana nanahiran-tsaina azy. Nianatra ny toko faha-8 hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?” izy, ka fantany fa tsy avy tamin’Andriamanitra ilay loza nahazo azy. “Tena maivamaivana sy faly erỳ aho”, hoy izy, “rehefa fantatro fa tsy avy amin’i Jehovah ny faharatsiana!” Nianatra hatrany i Judith, nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary miandrandra ilay tontolo vaovao, hahasalama azy indray.
Nandositra nankany Burundi i Chantal, rehefa nipoaka ilay adim-poko tany Rwanda tamin’ny 1994. Tany izy no nahita ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, ka namaky azy io hatramin’ny farany. Nipetraka tany ambanivohitra be anefa ry zareo, rehefa niverina tany Rwanda, ka tsy nahita Vavolombelona. Nihaona tamin’ny mpitory roa nitory tany an-tsena anefa ny reniny, indray andro. Te hihaona tamin’i Chantal ireo mpitory, ka nosoratany tamin’ny taratasy kely ireo andro handalovany ao amin’ilay tsena, ary nomeny ny renin’i Chantal. Nipetraka teo am-bavahadin’ilay tsena i Chantal, tamin’ny iray amin’ireo andro fandalovan’ireo mpitory, ary nihazona an’
ilay taratasy mba ho hitan’ny mpandalo. Faly erỳ izy, rehefa hitan’ireo rahalahy! Tena liana izy, ka nasain’ireo rahalahy hanatrika ny Fahatsiarovana. Nanatrika izany i Chantal, na dia nandeha an-tongotra roa andro aza vao tonga tany!Nivory tsy tapaka izy nanomboka tamin’izay, na dia lavitra aza! Nampalahelo fa nanjary nanohitra azy ny fianakaviany. Nandroaka azy, sady nanambana azy tamin’ny famaky mihitsy, ny iray tamin’ireo anadahiny, indray mandeha! Tsy nivadika anefa i Chantal. Nisy fivoriana akaiky kokoa azy, herintaona taorian’izay, na dia mbola nandeha an-tongotra adiny valo aza izy. Nisy Vavolombelona afaka nampianatra Baiboly azy anefa nanomboka tamin’izay. Tsy ela izy dia nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary mpisava lalana maharitra izy izao. Ary ny fianakaviany? Niova tanteraka izy ireo. Mpisava lalana maharitra izao ilay anadahiny nandroaka azy, ary natao batisa vao haingana ny anadahiny iray hafa. Mpitory tsy vita batisa kosa ny reniny. Misy antoko-mpitory any amin-dry zareo izao, ka dimy minitra izy ireo dia tonga any am-pivoriana.
Anabavy mazoto i Thembisile, mipetraka any akaikina tanàna mifefy misy an’ireo tarana-mpanjaka, any Soazilandy. Te hitory tamin’ireo mponin’ilay tanàna izy, saingy nanahirana azy ny fiambenana mafy tao. Nivavaka momba izany izy, ka nisikina herim-po nanatona ny vavahadin’ilay tanàna. Nitory tamin’ireo mpiambina izy, ka nandray ny bokikely Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! ny iray tamin’ireo. Nanadihady sy nisava azy ny mpiambina, ary namela azy hiditra, ka tena faly izy. Vao mainka gaga i Thembisile, rehefa nahita fa sariaka be ireo olona tao. Miasa tsy tapaka ao amin’io faritany io izy izao, ary nanomboka fampianarana Baiboly telo. Mandray azy tsara koa ny polisy. Nilaza taminy mihitsy ny mpiambina iray, indray andro hoe: “Aza misalasala mandroso, Madama a! Tsara ny asa ataonao eto.”
◼ KONTINANTA AMERIKANINA
Isan’ny tany: 56
Isan’ny mponina: 807 517 534
Isan’ny mpitory: 3 023 062
Isan’ny fampianarana baiboly: 2 676 288
Nahita mpivady nanosika kalesy nitondra alika naratra, ny mpisava lalana manokana roa, tany amin’ny tanàna kely iray any Arzantina. Nasain’izy ireo nankao anaty fiarany ilay mpivady sy ny alikany, mba hoentina any amin’ny veterinera. Nankasitraka izany izy mivady, satria koa tsy nisy nanampy azy ny mpiara-monina taminy. Mpampianatra katesizy ilay rangahy, ary anisan’ireo mpanao filaharana ho fanomezam-boninahitra ny olo-masina izy mivady. Nanaiky handray Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! anefa izy ireo, na dia katolika be aza. Nanasa azy mivady hanatrika
ny Fahatsiarovana ireo mpisava lalana, rehefa nitsidika azy nandritra ny roa taona. Avy be ny ora ny harivan’ny Fahatsiarovana, nefa tonga ihany izy mivady, ary gaga rehefa noraisina tsara tany. Tsy vitan’izany ihany, fa nilaza izy ireo hoe izay vao takany ny tena dikan’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Mianatra Baiboly tsy tapaka izy ireo izao, ary manatrika ny fivoriana rehetra, sady tsy manahy momba izay holazain’ireo Katolika mpiara-monina aminy.Teny am-pitoriana ny anabavy mpisava lalana iray sy ny anabavy iray hafa tany Barbade, ary nahita ramatoa iray nijoro teo am-baravarana. Gaga izy mirahavavy, fa vao nanatona hitory izy ireo, dia niteny ilay ramatoa hoe: “Mandrosoa e! Handeha haka Baiboly aho.” Toy ny hoe efa niandry azy mirahavavy izy. Nandroso izy mirahavavy, ary nipetraka. Nasehon’izy ireo ny fomba fianarana Baiboly, ka ny bokikely Takina lesona 1 no nampiasaina. Nanontanian’ilay ramatoa ilay mpisava lalana raha izy no nitelefaonina azy sy niresaka momba ny fianarana Baiboly tokony hatao io maraina io. Hoy ilay mpisava lalana: “Tsy izaho no niantso anao ka! Fa toa tsy tonga ilay olona, ka faly izahay tonga tamin’ny 11.30, araka ilay fotoana nomeny.” Mandroso tsara io ramatoa io, ary efa manatrika fivoriana.
Mety hahitam-bokatra tsara ny fitoriana eny an-tsena. Hoy ny anabavy misionera iray any Bolivia: “Nametraka trakta tamin’ny vehivavy iray nivarotra tao an-tsenan’ny tantsaha ny vadiko. Nandray tsara ilay vehivavy, ka niverenako. Nasehoko azy tamin’ny bokikely Takina ny fomba hianarana Baiboly. ‘Eto ve isika no hianatra?’, hoy izy. ‘Tsy maninona mihitsy’, hoy aho, ‘fa efa mahazatra ahy izany.’ Omeny sezakely aho rehefa tonga, ary eo akaikin’ilay sarety fivarotany mihitsy izahay no mianatra. Raisiny izay mpividy tonga, ary tohizinay ihany ny fianarana avy eo.”
Nahazo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao avy tamin’ny namany ny vehivavy iray tany Kanada. Nahafinaritra azy ny namaky azy io, ka tapa-kevitra handalina azy io kokoa izy. Nojereny àry ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Internet (www.watchtower.org), ary nanoratra izy mba hangatahana olona hampianatra Baiboly sady nanafatra boky Fahalalana. Nisy anabavy roa nitondra an’ilay boky tany aminy. Nofihininy ilay boky, ary nolazainy fa hovakiny hatramin’ny farany avy hatrany! Nanatrika fivoriana voalohany izy ny ampitso harivan’iny, ary tonga dia nifandray tsara tamin’ireo rahalahy sy anabavy. Nandroso haingana izy, ka mpitory tsy vita batisa izao, ary mikasa ny hatao batisa tsy ho ela.
Marary ny vehivavy iray atao hoe Sol, any Kolombia, ka tsy afa-mihetsika eo am-pandriana. Tsy tiany hisy olona hitsidika azy, afa-tsy ny fianakaviany. Vavolombelon’i Jehovah ilay mpifanila trano aminy, ka nanome ny reniny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! vitsivitsy mba hovakin’i Sol. Nanaiky hotsidihin’ilay mpifanila trano taminy ihany i Sol, tatỳ aoriana. Nanaiky hianatra Baiboly koa izy, ary nanatrika Fahatsiarovana, herintaona taorian’izay. Izay izy vao nivoaka ny trano, tao anatin’ny fito taona. Nanatrika fivoriambe voalohany izy, roa andro taorian’io. Mandeha mitory izao i Sol, na dia tsy afaka mipetraka aza. Amin’ny fomba ahoana? Nanamboaran’ireo rahalahy fandriana manokana misy kodiarana izy, ka atosiny amin’iny mba handehanany isan-trano. Noho ny ohatra sy ny fampaherezana avy amin’i Sol, dia vita batisa izao ny reniny, ary mpisava lalana ny roa amin’ireo iray tam-po aminy.
Nitsidika ramatoa iray ny mpivady mpisava lalana manokana vaovao tany Costa Rica. Nilaza tamin’ilay ramatoa izy ireo fa niantso ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-toerana ny vinantovavin’io ramatoa io. Vavolombelon’
i Jehovah any Etazonia io vinantony io, ary nangataka mba handefasana olona hitsidika ny rafozambaviny. Hoy ireo mpisava lalana: “Gaga izahay fa nitomany ilay ramatoa 65 taona. Tsy nampoiziny, hono, hoe tonga sahady izahay, satria vao haingana izy no nampirisihin’ilay vinantony hihaino ny Vavolombelona. Tsy noeritreretiny ho tonga haingana be toy izany izahay.”Nilaza ireo mpisava lalana fa izay io ramatoa io vao nanaiky hiresaka tamin’ny Vavolombelona. Katolika be izy, ary nandalina momba ny finoana katolika, nandritra ny 12 taona, mba hampianarana olon-kafa. Faly ireo mpisava lalana namaly ny fanontaniany momba ny Baiboly sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky hianatra Baiboly ilay ramatoa. Te hianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ny vadiny sy ny zanany vavy.
Hoy ny Betelita iray any Porto Rico: “Nentiko tany amin’ny kapiteny tao amin’ny foiben’ny polisy ny Mifohaza! 8 Aogositra 2002 hoe ‘Nahoana Isika no Mila Polisy?’ Nampiaiky volana azy ilay lahatsoratra, ka nasainy nanaterako an’io gazety io ny ben’ny tanàna sy ny paositry ny polisy hafa. Nentin’ny polisy iray tamin’ny fiaran’ny polisy mihitsy aza aho mba hitety paositry ny polisy hafa. Navelany hitondra ny nomerao manaraka any amin’ireo polisy eo ambany fiadidiany koa aho. Hoy izy: ‘Hanome ny herin-tsaina ilain’ny polisy izany.’” Nitety paositry ny polisy valo io Betelita io, tao anatin’ny iray volana, ary maro ny polisy nangataka gazety maro kokoa. Nahapetraka gazety 164 izy, ary nahita olona dimy hanaterana gazety tsy tapaka.
Mpivavaka be tao amin’ny Fiangonana Nazareanina nandritra ny 25 taona ny vehivavy iray any amin’ny nosy Trinité sy Tobago. Nasain’ny mpiara-miasa taminy izy, ka nanatrika lahatenin’ny mpiandraikitra ny faritra. Nanatona
azy ilay mpiandraikitra ny faritra ka nanao resaka nahafinaritra taminy, rehefa tapitra ny fivoriana. Nahagaga azy izany, satria ny olona mitovy fiaviana sy saranga ihany no miresaka, any am-piangonany. Ratsy fanahy taminy mihitsy ny mpiara-mivavaka taminy sasany, satria tsy nitovy fiaviana izy sy ny vadiny. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy, noho ny zavatra hitany tany amin’ny Efitrano Fanjakana, sy ny fampaherezan’ilay mpiandraikitra ny faritra. Lasa mpitory tsy vita batisa izy, enim-bolana taorian’izay, ary mitory mandritra ny 70 ka hatramin’ny 100 ora isam-bolana. Natao batisa izy tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2002, “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”, ary manantena ho lasa mpisava lalana maharitra. Manampy ny zanany vavy fito taona koa izy, ary efa manao sekoly izy io izao.Nandondòna tao an-tranon’ny Vavolombelona iray ny rangahy iray nitety varavarana tany Orogoay, mba hivarotra vakana misy lakroa. Nohararaotin’ilay anabavy izany mba hanazavana avy tamin’ny Baiboly ny antony tsy ividianany an’ilay izy. Neken’ilay mpivarotra ilay fanazavana, sady nasehony koa fa tia fivavahana izy. Nilaza mihitsy izy fa efa nitety fivavahana maro mba hahazo ny valin’ny fanontaniany, nefa tsy nahazo. Nihevitra izy nony farany fa ny vola no tena mahaliana ny fiangonana, fa tsy ny hanampy ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nasain’ilay anabavy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izy, rehefa handeha.
Tsy hita intsony izy, raha tsy rehefa nandondòna teo am-baravaran’ilay anabavy indray, herintaona taorian’izay. Gaga be ilay anabavy, rehefa nilaza izy hoe: “Tsy hivarotra no anton-diako androany, fa hilaza aminao hoe eo amin’ny toko faha-15 amin’ny Fahalalana aho izao.” Nohazavainy fa mianatra sy mivory daholo ny fianakaviany. Rehefa handeha izy dia nilaza hoe: “Any amin’ny fivoriambe amin’ny faran’ny herinandro mihaona e!”
[Sary, pejy 43]
Nouvelle-Zélande
[Sary, pejy 43]
Tahiti
[Sary, pejy 43]
Papouasie-Nouvelle-Guinée
[Sary, pejy 47]
Tailandy
[Sary, pejy 47]
Inde
[Sary, pejy 47]
Japon
[Sary, pejy 51]
Grande-Bretagne
[Sary, pejy 51]
Albania
[Sary, pejy 51]
Espaina
[Sary, pejy 56]
Namibia
[Sary, pejy 56]
Bénin
[Sary, pejy 56]
Congo (Kinshasa)
[Sary, pejy 60]
Kanada
[Sary, pejy 60]
Tobago
[Sary, pejy 60]
Bolivia