Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

“MANKANESA atỳ amiko, ... fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” Ireo tenin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Matio 11:28 ireo no andinin-teny ho an’ny taona 2002. Maro no nanaiky an’io fanasan’Andriamanitra io, ka 265 469 no natao batisa tamin’ny taom-panompoana lasa. Nahita fitsaharana àry izy ireo, no sady tafaraka amin’ny olona enina tapitrisa hafa, izay manompo eo ambany zioga moran’i Kristy.

Hita ao amin’ireo pejy manaraka ny fomba nitahian’i Jehovah ny vahoakany eran-tany. Andeha àry isika hijery zava-nisongadina vitsivitsy tamin’ny taom-panompoana 2002.

Fivoriamben’ny vondrom-paritra izay nampirisika antsika hazoto

Nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, toy ny fanaony isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny toerana samihafa. Ny foto-kevitry ny fivoriambe 2002/2003 dia hoe “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto.” Nasongadin’ilay lahateny fototra fa manahaka ny zotom-po sy herim-pon’i Jesosy Kristy teo amin’ny fanompoana, ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Nohazavaina tamin’ny lahateny hafa fa ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra no mampitombo io fahazotoana io, ary ny fanaovana asa soa, indrindra fa ny faharisihana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra, no anehoana izany.

Niresaka momba an’i Jeremia mpaminany ilay fampisehoana tantara hoe “Miorena Mafy ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra.” Tena be zotom-po sy niaritra toa an’i Jesosy i Jeremia, na dia nisy zava-tsarotra aza. Natoky an’i Jehovah izy ary tsy natahotra nanambara ny hafatra avy aminy. Ohatra tsara ho an’ny Kristianina ankehitriny izy!

Nisy boky roa navoaka tamin’io fivoriambe io. Navoaka ny zoma ny boky 192 pejy hoe Mivavaha Aminilay Hany Andriamanitra Marina. Io no boky faharoa ampianarana Baiboly, raha tiantsika hilentika ao am-pon’ny olona ampianarintsika ny fahamarinana. Mino isika fa hanampy an’ireo vaovao io boky io, mba hitomboany ara-panahy, sy handehanany eo amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

Navoaka ny asabotsy ny boky Manatòna An’i Jehovah. Misy fizarana efatra izy io, ary manazava ny tsirairay amin’ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra, dia ny hery, fanaovana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana. Izao no zava-kendreny, araka ny sasin-teniny: “Enga anie ity boky ity hanampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, sy tena hifandray akaiky aminy, mba hahafahanao ho velona ka hidera azy mandrakizay.” Hanampy an’ireo tso-po eran-tany, mba hampitombo ny fitiavany an’ilay Mpamorona, ilay fivoriambe sy ireo boky vaovao.

Fiatrehana ny “andro mahory”

Nanoratra tamin’i Timoty ny apostoly Paoly fa hisy “andro mahory” amin’izao andro farany izao. (2 Tim. 3:1) Zava-tsarotra sy fahasahiranana maro samy hafa no aterak’ireo loza mamely, na voajanahary izany na hafa. Nahafahan’ny Kristianina nampiseho ny fifankatiavany koa anefa ireny loza ireny. Nisy loza maro tamin’ny taom-panompoana lasa, fa ny roa ihany no horesahintsika.

Nianjera ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena: Natao ny asabotsy 8 Septambra 2001 ny fizarana diplaoman’ny misioneran’i Gileada, kilasy faha-111. Nitsangantsangana tany New York, any Etazonia, ireo mpianatra ireo sy ny fianakaviany, ny 11 Septambra. Tsara ny andro ary manga ny lanitra ny marainan’io, kanjo tamin’ny 8.46 maraina, dia nisy fiaramanidina mpitondra olona nandona an’ilay tranobe avaratra tamin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena. Nisy fiaramanidina lehibe iray hafa nandona an’ilay tranobe atsimo, minitra vitsy taorian’izay.

Nianjera tamin’ny 9.59 ilay tranobe atsimo. Feno vovoka sy poti-javatra i Manhattan ambany, nisy an’ireo Tranobe Kambana. Nianjera koa ilay tranobe avaratra, avy eo. Efa ho telo arivo ny olona maty. Samy nisy rihana 110 ireo tranobe vita tamin’ny 1973 ireo. Nentin’ny rivotra ilay vovoka matevina naterak’ilay fianjerana, ka tonga hatrany amin’ny Betelan’i Brooklyn, izay telo kilaometatra avy eo.

Avy hatrany dia nanomboka nitady an’izay Vavolombelona nety ho naratra na maty tamin’io loza io ny biraon’ny sampan’i Etazonia, ary nijery izay fomba azo nanampiana. Voamarina fa tao daholo ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn sy Patterson ary Wallkill, ny harivan’ny talata 11 Septambra. Ny alakamisy hariva, dia efa tapitra niantso ny Biraon’i Gileada ireo misionera vaovao rehetra sy ny fianakaviany, ka nilaza fa tsy nisy naninona izy ireo. Mpiandraikitra ny faritra 37 teto New York sy ny manodidina koa no efa nantsoina an-telefaonina. Nifandray tamin’ireo anti-panahy izy ireny, ary ireo anti-panahy kosa no nitady ny mpitory tsirairay. Ny zoma 14 Septambra maraina, dia fantatry ny sampana fa 14 ireo rahalahy sy anabavintsika maty na tsy hita. Tsy niova intsony io tarehimarika io.

Mitantara ny zavatra niainany ireo nieren-doza. Mpisava lalana maharitra i Cynthia Tucker, ary niasa tao amin’ny Foibe Ara-bola Iraisam-pirenena, teo ampitan’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena. Tany amin’ny rihana faha-37 izy, rehefa nahita an’ilay fiaramanidina voalohany nandona an’ilay tranobe. Noheveriny fa loza nahatsiravina ilay izy, ka lasa nivoaka izy, ary nitraka mba hijery an’ilay trano nodonin’ilay fiaramanidina. Feno poti-javatra nilatsaka. Nisy fiaramanidina iray hafa avy eo nanidina ambany be. Hoy ny Anabavy Tucker: “Ngezabe ilay fiaramanidina. Hitako fa handeha hidona tamin’ilay trano ilay izy. Te handositra aho, nefa tsy nahetsika sady tsy hitako izay hatao. Toa tonga dia nanitsy an’ilay trano ilay fiaramanidina. Mafy be ilay fifandonana, ka toy ny hoe tany anaty rano ilay izy, satria tsapako ilay feo. Navesatra be ny rivotra, ary toy ny nisy fasika, sady nanempotra. Nisahotaka ny olona. Nihazakazaka nankao amin’ny trano iray aho, ary nahita an’ilay tranobe voalohany nianjera. Nisy nanala lobaka mba hiarovany ny tarehiny tamin’ny vovoka. Nivoaka an’ilay trano ny olona nitondra ny zanany sy ny bibiny. Tora-kovitra daholo ny rehetra. Na ny biby aza hita hoe hafahafa. Tsy hitako izay fomba anazavana an’ilay tahotra.” Faly ny Anabavy Tucker, noho ny fanampian’ireo anti-panahy nitsidika azy sy nampahery azy tamin’ny alalan’ny Baiboly.

Nampahery ny olona tamin’ny alalan’ny Baiboly, ireo rahalahy teto New York, nandritra ireo volana nanaraka izany. Nisy rahalahy nahazo lalana hitory teo amin’ilay toerana nianjeran’ireo Tranobe Kambana. Anisan’izany i Roy Klingsporn, mpisava lalana. Hoy izy: “Nankasitraka anay ilay serizà nikarakara ny fanampiana olona, ka niteny hoe: ‘Nitondra sakafo sy kafe mafana ary akanjo ho anay ny olona, fa ianareo kosa no voalohany namaky ny Baiboly taminay. Mila an’Andriamanitra isika amin’ny fotoana toy izao.’”

Nipoaka ny volkano iray tany Afrika Atsinanana: Efa nampijalin’ny adim-poko, aretina, fahantrana, ary tsy fananana asa ny maro tamin’ireo rahalahintsika any Congo (Kinshasa) atsinanana. Nisy tamin’izy ireo mpitsoa-ponenana, na mbola mpitsoa-ponenana hatramin’izao. Vao mainka nanampy trotraka koa ny fipoahan’ny Volkano Nyiragongo tampoka. Tsy lavitra ny tanànan’i Goma izy io. Nanomboka namoaka setroka sy afo ilay tendrombohitra, ny marainan’ny 17 Janoary 2002. Nisy ranoka volkano nivoaka avy tao amin’ilay tendrombohitra ary nanatona an’i Goma, ny harivan’io. Natahotra ny olona, ka an’arivo no nandositra nankany Gisenyi, any Rwanda, tsy lavitra teo. Feno olona nitondra ny entan-keliny ny lalana. Notandindomin-doza koa i Gisenyi, nefa nataon’ireo rahalahy ho fivantanan’ireo rahalahy nandositra avy tany Congo ny Efitrano Fanjakana. Tsy nisalasala nampiantrano an’ireo rahalahy nandositra an’ilay volkano ireo rahalahy tany Gisenyi.

Hoy ny anti-panahy iray: “Vao nahare ilay vaovao izahay sy ny rahalahy vitsivitsy, dia lasa nandeha tany amin’ny arabe mampitohy an’i Goma sy Gisenyi. Nihazona Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izahay. Maizina be ny andro, nefa nankeny amin’ny toerana mora hahitana anay izahay. Tonga dia fantatr’ireo rahalahy hoe Vavolombelona izahay, rehefa hitany ireo gazety. Natoronay azy ireo ny Efitrano Fanjakana, ka tany izy ireo no nitoby. Nitsangana teny amoron-dalana izahay mandra-paharainan’ny andro. Efa nanao toy izany ho anay koa ireo rahalahinay tany Goma, taona vitsivitsy talohan’io. Ana hetsy mantsy ny olona nankany Goma, rehefa tapitra ilay ady tany Rwanda. Nijoro andro aman’alina teny amoron-dalana ireo Vavolombelona tany Goma tamin’izany, ary nihazona gazety mba hamantaranay azy. Natorony anay ny tobin’ny mpitsoa-ponenana nalamin’ny Vavolombelona.”

Natory teny an-kalamanjana ny ankamaroan’ireo nandositra an’ilay volkano. Anisan’izany ireo rahalahy tsy nahita an’ireo nihazona gazety, satria sady nifanjevo ny olona no maizina ny andro. Hoy ny anti-panahy iray: “Vao maraina indray dia nivoaka nivimbina gazety ireo rahalahy sy anabavy. Nitety an’i Gisenyi izy ireo, mba ho hitan’ny olona rehetra. Hitan’izy ireo àry ny rahalahy rehetra avy any Goma, izay mbola tsy nahita an’ireo Vavolombelona ny omaly alina. Nihananatona ny Efitrano Fanjakananay anefa ilay ranoka volkano. Nalaminay ho tobin’ny mpitsoa-ponenana avy hatrany ny Efitrano Fanjakana dimy hafa.” Nisy rahalahy avy tamin’ireo fiangonana 24 tany Goma nandositra nankany afovoan’i Congo. Nandositra ho any Rwanda kosa ny ankamaroany, izany hoe 2 000 teo ho eo.

Tsy ela ny biraon’ny sampana tany Kigali, any Rwanda, dia nividy sakafo sy fanafody ary bodofotsy sy plastika fitoeran-drano, ary nalefa avy hatrany tany amin’ny toby izany. Tena faly ireo rahalahy avy any Goma, satria ny ampitson’ilay loza, dia efa nisy kamiao nitondra an’ireo fanampiana! Maro ny tsy Vavolombelona nidera izany ezaka izany. Nisy rahalahy nandre olona niteny hoe: “Mahafinaritra ilay fivavahan-dry zareo, satria tena mifankatia ry zareo.”

Rava ny ampahatelon’i Goma, ary maro ny rahalahy tsy nanana na inona na inona intsony. Nampiantrano an’ireo rahalahy rava trano anefa ireo Vavolombelona tsy rava trano. (Rom. 12:12, 13) Nataon’ireo rahalahy avy any Rwanda izay hahatafaverina soa aman-tsara an’ireo mpitsoa-ponenana rehetra tany Goma, tatỳ aoriana. Nanampy koa ny Vavolombelona tany Eoropa, ka nandefa fiaramanidina roa feno entana avy tany Belzika.

Nitera-doza ny fipoahan’ny Volkano Nyiragongo. Maro no maty ary betsaka ny zavatra simba. Niavaka anefa ny Kristianina marina, satria hita fa tena nifankatia.—Jaona 13:35.

Nanasongadina ny fahasalamana ara-panahy ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana

Natomboka tamin’ny 1959 ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, ary naharitra iray volana. Natao tany South Lansing, any New York, Etazonia, ilay izy. Natao tany amin’ny toerana nomanin’ny biraon’ny sampana kosa izy io, tany an-tany hafa. Anti-panahy sy mpisava lalana manokana no nanatrika azy io, tamin’ny voalohany. Nasiam-panitsiana anefa ilay sekoly tamin’ny 1966, ka lasa tapa-bolana ny faharetany, ary anti-panahy ihany no nanatrika azy. Natao nandritra ny 15 ora kosa izy io tamin’ny 1977, ary ny anti-panahy no nanatrika azy. Nanomboka tamin’izay, dia misy sekoly toy io, maharitra ora maromaro, atao isaky ny taona vitsivitsy. Manatrika an’io sekoly io koa ny mpanampy amin’ny fanompoana, nanomboka tamin’ny 1984.

Nizara telo ilay sekoly tamin’ity taona ity. Ny talata ka hatramin’ny alakamisy, ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany; ny zoma sy asabotsy, ho an’ny anti-panahy; ary ny alahady, ho an’ny mpanampy amin’ny fanompoana. Nasongadin’ilay sekoly ny tokony hitandroana ny fahasalamana ara-panahy. Nivavaka tamin’i Jehovah toy izao i Mosesy fahiny: “Ampahafantaro ny làlanao [aho] hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao.” (Eks. 33:13) Nahita ireo Loza Folo sy ny Ranomasina Mena nisaraka i Mosesy. Niresaka tamin’i Jehovah nandritra ny 40 andro tany amin’ny Tendrombohitra Sinay izy, ary nahazo ny Didy Folo. Taorian’izany no nanaovany ilay vavaka etsy ambony. Efa 80 taona izy, ary nampiasain’i Jehovah tamin’ny fomba niavaka, nefa mbola niaiky ihany fa nila zavatra ara-panahy. Araka io ohatra io, dia nampirisihina koa ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mba handroso amin’ny maha olona araka ny fanahy, na efa ela na vao haingana izy no nanompo an’i Jehovah.

Natao tany amin’ny sampana eran-tany ilay sekoly. Nisy taratasy fankasitrahana voaray avy tany amin’ny tany maro. Hoy ny anti-panahy iray any Guinée: “Tsy nanenenako ny sorona sy ny dia 1 000 kilaometatra nataoko hanatrehana ilay sekoly.” Hoy ny anti-panahy iray hafa: “Tsy hitako izay teny ilazana ny fankasitrahako an’ilay fampiofanana. Misaotra betsaka!”

Hoy ny rahalahy iray any Korea: “Nanampy ahy ilay sekoly mba hieritreritra hoe araka ny fanahy aho sa tsia.”

Hoy ny biraon’ny sampan’i Salvadaoro: “Tena nahaliana an’ireo rahalahy ny fandaharana vaovao momba ny Fianarana Boky. Mino izahay fa hanampy anay hikarakara sy hiahy bebe kokoa an’ireo ao amin’ny Fianarana Boky izany.”

Hoy ireo anti-panahin’ny fiangonana iray any Alemaina: “Araka ny zava-misy sy mora ampiharina ireo soso-kevitra, ka hahasoa ny ondry nankinina taminay.”

Hoy kosa ny sampan’i Soisa: “Nanome hery mba hiadiana amin’ny tsy firaikana ara-panahy io sekoly io.”

Raharaha ara-pitsarana

ARMENIA: Nahaliana an’izao tontolo izao ny raharaha momba an’i Lyova Margaryan. Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Margaryan, noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Nolazaina fa “nanohana fivavahana tsy ara-dalàna” izy. Nafahana madiodio ny Rahalahy Margaryan, tamin’ny 18 Septambra 2001. Nampakarina fitsarana ambony ilay raharaha, nefa nohamafisin’io fitsarana io fa tsy meloka ilay rahalahy. Nolazain’ilay Fitsarana koa fa tsy heloka bevava ny mampianatra ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary arovan’ny Lalàm-panorenan’i Armenia. Nampakarin’ireo mpampanoa lalàna tamin’ny Fitsarana Tampony indray ilay raharaha. Mbola nilaza indray ireo mpitsara enina tao amin’io Fitsarana io, tamin’ny 19 Aprily 2002, fa tsy meloka ilay rahalahy. Faly amin’izany fandresena izany isika, na dia mbola samborina sy gadraina aza ireo rahalahy tanora any Armenia, satria tsy mety manao raharaha miaramila, noho ny antony ara-pivavahana.

GÉORGIE: Mitohy foana ny herisetra ampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any, nefa tsy voasazy ireo manao izany. Nanomboka tamin’ny Oktobra 1999, dia efa nisy zava-nitranga 80 voaporofo an-taratasy, nampiharana herisetra tamin’ny lehilahy, vehivavy, ankizy, zokiolona, ary kilemaina 1 000 mahery. Norobaina ny tranon’ny Vavolombelona sasany, ary nodorana ka kila forehitra. Nisy fitoriana 700 mahery natao, nefa mbola tsy nisy nohelohina ireo olona namely an’ireo Vavolombelona. Tamin’ny Septambra 2001 anefa, dia nampakarina fitsarana ihany i Petre Ivanidze sy Vasili Mkalavishvili, pretra ortodoksa niongana, noho izy ireo nandray anjara tamin’ireo fanafihana. Tsy nety tontosa anefa ilay fitsarana, noho ny zava-nitranga tao amin’ny efitrano fitsarana. Navela hiditra tao ny naman’ireo voampanga, ka nilanja banderôla nisy teny nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, sy lakroa be, izay nataon’izy ireo fitaovam-piadiana teo aloha. Efa nahemotra impito ilay fitsarana, hatramin’ny 30 Mey 2002. Nametraka fitarainana roa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny iray mitory ny fanjakana, izay tsy manao na inona na inona manoloana ireo herisetra, ary ny faharoa kosa nanohitra ny didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampon’i Géorgie, izay nanafoana an’ireo fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ilay Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny Oktobra 2001, fa tokony hokarakaraina haingana ireo raharaha roa ireo.

Nametraka fitoriana hafa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina indray ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 23 Jolay 2002. Izany dia mahakasika raharaha 30 nitoriana mpivavaka mafana fo sy mpitondra fivavahana ortodoksa ary polisy, izay nanafika Vavolombelona. Misy taratasy tena manan-danja mahakasika ny iray amin’ireo raharaha ireo. Lazain’izy io ny tetika nataona polisy 100 mba hampitsaharana fivoriambe iray nilamina tsara, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Septambra 2000. Nanaiky sy nanao sonia an’io taratasy io ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany any Zugdidi.

ROSIA: Natao tamin’ny 12 Febroary 2002 indray ny fitsarana momba ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou. Impito tamin’io ny Vavolombelona no tsy maintsy niaro tena noho ny fiampangana tsy marim-pototra mitovy ihany. Nodinihin’ilay Fitsarana nandritra ny roa volana indray ny fangatahan’ny mpampanoa lalàna. Navoakany tamin’ny 4 Aprily 2002 àry ny didy nanendry manam-pahaizana handinika ny boky sy taratasin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namoaka io didy io ilay Fitsarana, na dia tsy nanome porofo mazava aza ny mpampanoa lalàna hoe mampiady fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, na mampisaraka fianakaviana, na manitsakitsaka ny zo sy ny fahalalahan’ny olom-pirenena. Nahemotra ilay fitsarana, eo am-piandrasana ny vokatry ny fandinihan’ireo manam-pahaizana.

KOREA ATSIMO: Tamin’ny Desambra 2001, dia nahatratra 1 640 ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea Atsimo nogadraina, satria tsy manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Mitombo foana izany isan-taona. Milaza ny Lalàn’ny Raharaha Miaramila fa azo gadraina hatramin’ny telo taona ireo tsy mety mandray fiadiana. Tsy maintsy manao raharaha miaramila daholo ny rehetra, hatramin’ny mpitondra fivavahana, any Korea Atsimo. Vavolombelona 7 000 any Korea Atsimo no efa nigadra noho izany, nanomboka tamin’ireo taona 1950. Nalefan’i Si-hwan Park, mpitsara any Séoul, tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, ny raharaha mahakasika an’i Kyung-soo Lee, tamin’ny 29 Janoary 2002. Tian’ilay mpitsara ho fantatra raha mitombina ny fitarainan’ny Rahalahy Lee hoe voahitsakitsaka ny zony sy fahalalahany hanana ny fieritreretany sy ny fivavahany, raha terena hanao raharaha miaramila izy. Nahanton’Atoa Park aloha ilay fitsarana, ary nomeny fahafahana vonjimaika ny Rahalahy Lee. Tsy hatao indray ilay fitsarana, raha tsy efa mamoaka didy ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana.

ETAZONIA: Namoaka didim-pitsarana nanan-tantara ny Fitsarana Tampon’i Etazonia, tamin’ny 17 Jona 2002, tamin’ilay raharaha Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. miady amin’ny Tanànan’i Stratton. Nilaza mantsy ilay tanàna fa tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny tanàna ny Vavolombelon’i Jehovah, vao mahazo mitory isam-baravarana. Hoy ilay Fitsarana: ‘Nohazavain’ny [Vavolombelon’i Jehovah] tamin’ilay fitsarana fa tsy nangataka fahazoan-dalana izy ireo, satria ny Soratra Masina no mandidy azy hitory. [Hoy ny Vavolombelona:] “Toy ny manao tsinontsinona an’Andriamanitra izahay raha mangataka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna, alohan’ny hitoriana.”’ Nanazava koa ny Fitsarana fa ilay lalàna “dia manao tsinontsinona ny fitsipika arovan’ny Fanitsiana Voalohany sy ny fahalalahana amin’ny ankapobeny mihitsy. Milaza mantsy io lalàna io fa tsy maintsy mampahafantatra ny fanjakana ny olona hoe te hiresaka amin’ny mpiara-monina aminy, izay vao mahazo fahazoan-dalana hanao izany.” Hoy koa ilay Fitsarana: “Marina fa asam-panjakana ny famoahana fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny tanàna, ary atao avy hatrany, sady tsy andoavam-bola. Mifanipaka tanteraka amin’ny fahalalahana nolovantsika sy narovan’ny lalàm-panorenantsika hatramin’izay anefa, ny lalàna toy izany.”

Noresahin’ilay Fitsarana koa ny vokatry ny zavatra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fanohanana ny lalàm-panorenan’i Etazonia. Hoy ilay Fitsarana: ‘Nofoanan’ny Fitsarana foana izay lalàna nandrara ny fitetezan-trano sy fizarana bokikely, efa hatramin’ny 50 taona mahery. Tsy sendrasendra akory ny ankamaroan’ireny raharaha ireny, fa noho ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitaky ny hitoriany isan-trano sy ny fitakian’izy ireo ny hampiharana ny Fanitsiana Voalohany, mba hahafahany hanao izany.’ Nomarihin’ilay Fitsarana fa ‘tsy ny zony ihany no narovan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa tsy nanaiky ny hamerana ny zony haneho hevitra malalaka izy ireo.’

Tamin’ny 1 Jolay 2002 koa, dia niaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray tsy hanaiky hampidiran-dra ny Fitsarana Tampon’i Caroline Atsimo. (Asa. 15:28, 29) Notorin’i Charles Harvey ny dokoterany, satria tsy niraharaha tsotra izao ny fandavany tsy hampidiran-dra. Noresahin’ny Rahalahy Harvey mazava tamin’ilay dokotera, talohan’ny nandidiana azy, fa miorina amin’ny Baiboly io fanapahan-keviny io. Nihasarotra anefa ilay fandidiana, nefa mbola tsy nahatsiaro tena ny Rahalahy Harvey. Nahazo ny faneken’ny reniny, izay tsy Vavolombelona, ilay dokotera, ka nampiditra ra tamin’ilay rahalahy. Nolavin’ny Fitsarana Tampon’i Caroline Atsimo ny faneken’ilay reny, ary nolazainy fa “tsy maintsy arahin’ny mpandidy ny fanirian’ny marary tsy hanaiky fitsaboana iray, izay efa nampahafantariny ny dokotera, talohan’ny fandidiana.” Namoaka didy àry ilay fitsarana fa zon’ny Rahalahy Harvey ny mangataka mpitsara mpanampy hanapa-kevitra raha toa ilay dokotera ka nandika ilay fanekena nifanaovan’izy ireo, sy ny lalàn’ny fitsaboana, rehefa nampiditra ra taminy, na dia tsy nanaiky izany aza izy.

Ho fahatsiarovana ny tsy fivadihan’izy ireo

Tsy niresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny Tranombakok’i Buchenwald, ao amin’ilay nisy ilay toby fitanana nazia taloha, nandritra ny 30 taona mahery. Tsy ny Vavolombelona mihitsy mantsy no noheverin’i Alemaina Atsinanana ho nampijalin’ny Nazia sy nanohitra azy. Mbola sarotra amin’ny olona maro any Alemaina ankehitriny ny miaiky fa tena niavaka ny tsy fivadihan’ny Vavolombelona. Andro nanan-tantara àry ny 9 Mey 2002. Notokanan’Atoa R. Lüttgenau, mpiandraikitra ny Tranombakok’i Buchenwald sy Mittelbau-Dora, ny takela-pahatsiarovana an’ireo Vavolombelona nijaly tany Buchenwald.

Tsara sy nafana ny andro tamin’io. Eo amin’ny havoana rakotra ala, any amin’ny faritra ambanivohitra tsara tarehy, io toby fahiny io, ary voahodidina zavamaniry maitso, amin’ny lohataona. Nantsoina hoe helo maitson’i Buchenwald anefa io toerana io taloha. Sarotra amin’ny ankamaroan’ny mpitsidika ankehitriny ny mieritreritra ny famoizam-pon’ireo voafonja tao. Nantsoina tsirairay mantsy ireo voafonja mba hitazana ilay toerana nahafinaritra, nefa nisento fotsiny, satria tsy nanantena ny hiriaria tany ivelany intsony.

Nanana fanantenana niorina tamin’ny Baiboly kosa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nitoky tanteraka tamin’i Jehovah. Izany no nanampy azy ireo tsy hivadika sy tsy hatahotra hiteny toy ireo apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asa. 5:29) Vavolombelona 38, fara fahakeliny, no maty noho ny finoany, tao anatin’ilay toby, na tany amin’ny toeram-piasana tany ivelan’ilay toby. Notononina teo amin’ilay takela-pahatsiarovana io andininy ao amin’ny Asan’ny Apostoly io, miaraka amin’ilay teny hoe: “Ho Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah Nijaly sy Maty Teto, Satria Nenjehina Noho ny Finoany.”

Nisy 250 000 mahery ireo gadran’ny Nazia nifandimby tao amin’ilay toby, ka ny 800 tamin’ireo dia Bibelforscher (Mpianatra ny Baiboly), fantatra tamin’ilay telozoro volomparasy nozairina teo amin’ny tratran’akanjony. Efa tamin’ny 1937 no nisy Vavolombelona tao, ary noterena hanampy tamin’ny fanorenana ilay toby. Nidera an’i Jehovah ireo Vavolombelona, rehefa nafahana tamin’ny 1945, ireo sisa tsy maty tao amin’ilay toby. Nisy Vavolombelona 300 ka hatramin’ny 450 teo ho eo foana tao amin’io tobin’ny Nazia tany Buchenwald io.

Hamarinin’io takela-pahatsiarovana io fa anisan’ireo nampijalin’ny Nazia tokoa ireo gadra nanao telozoro volomparasy, ary tena tsy nivadika koa ireo Vavolombelona. “Asehon’io takelaka io”, hoy Atoa Lüttgenau, “fa hita sy ekena ny zavatra nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Notokanan’ny manam-pahefan’i Körmend, any andrefan’i Hongria, tamin’ny 7 Martsa 2002, ny takela-pahatsiarovana Vavolombelon’i Jehovah telo maty martiora. Ny anaran’izy ireo dia Bertalan Szabó, Antal Hőnisch, ary Ján Žondor. Samy tsy nety nanao raharaha miaramila izy ireo, tamin’ny Ady Lehibe II, ka novonoina ampahibemaso. Hoy ilay takelaka: ‘Ho fahatsiarovana an’ireo Kristianina novonoina tamin’ny Martsa 1945, satria tsy nety nanao raharaha miaramila, noho ny feon’ny fieritreretany.’ Milaza ny biraon’ny sampana fa nisy olona 500 mahery nandeha an-tongotra namakivaky ilay tanàna, mba ho any amin’ilay trano namonoana an’ireo rahalahy, tamin’io fitokanana io.

Manana komitin’ny sampana izao i Etazonia

Nambaran’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny mpianakavin’ny Betela, ny zoma 9 Febroary 2001, fa hanana Komitin’ny Sampana i Etazonia manomboka ny 1 Aprily 2001. Nanohy niantsoroka io andraikitra io ilay komity, nandritra ny taom-panompoana 2002. Ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia dia miandraikitra ny asa fitoriana eran’i Etazonia sy Bermudes ary ireo Nosy Turks sy Caïques. Manana mpitory iray tapitrisa mahery i Etazonia, ka ny 215 000 amin’ireo dia any amin’ny fiangonana miteny espaniola. Misy 11 700 mahery ireo fiangonana, ka miteny espaniola ny 2 600 aminy. Nisy fiangonana 210 niforona tamin’ny taom-panompoana lasa. Miteny espaniola ny 123 amin’ireo, anglisy ny 63, ary mampiasa fiteny hafa ny 24.

Misy antoko-mpitory sy fiangonana mampiasa fiteny 37 hafa ankoatra ny anglisy sy espaniola izao eto Etazonia. Matetika no avo roa henin’ny isan’ny mpitory ny mpanatrika fivoriana any amin’ireo fiangonana miteny espaniola sy teny hafa. Misy fiangonana manana mpianatra Baiboly maro kokoa noho ny isan’ny mpitory. Mianatra fiteny hafa ireo rahalahy sy anabavy miteny anglisy, mba hitoriana any amin’io saha misy fitomboana haingana io.

Hafa kely ny sampan’i Etazonia, satria any amin’ny toerana telo ny Betelany, dia Brooklyn sy Patterson ary Wallkill. Misy toeram-pambolena koa any akaikin’i South Lansing, any New York sy any Immokalee, any Floride, ka any no ambolena ny voankazo ho an’ny Betela. Misy 5 465 ny mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia rehetra.

Misy sampana 109 izao eran-tany. Efa tamin’ny 1976 no nanomboka nisy Komitin’ny Sampana mikarakara ny zavatra ara-panahy ilain’ireo rahalahy any amin’ny tany samihafa. Manaraka ny toromariky ny Soratra Masina sy ny fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana ireny komity ireny. Ny Komitin’ny Sampana no miandraikitra ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’ny faritany anendrena ny sampana. Manome toromarika ho an’ny fiangonana sy misionera ary mpisava lalana ilay komity. Mandamina ny fiangonana ho faritra sy vondrom-paritra koa izy io, ary manolotra any amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny olona hotendrena ho mpiandraikitra ny faritra na vondrom-paritra, mpianakavin’ny Betela, na mpianatra amin’ny Sekolin’i Gileada. Miandraikitra ny asa eny amin’ny saha amin’ny ankapobeny ny Komitin’ny Sampana, sady mandamina ny asan’ny Betela koa. Tena tahin’i Jehovah io fandaharana io.

Manome izay ilaina ny fandikan-teny

Nisy boky aman-gazety maro be voadika tamin’ny fiteny maro kokoa tato ho ato. Mpandika teny an-jato no ao ambadik’izany, miasa mafy mandika boky mora azo sy mahafinaritra.

Baiboly voadika araka ny marina no zavatra voalohany ilain’ny vahoakan’Andriamanitra. Izany no amoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay efa voadika amin’ny fiteny 44 izao. Baiboly manontolo ny 29 amin’ireo. Vita tamin’ny fiteny afrikanina telo ny Soratra Grika Kristianina, tamin’ny taom-panompoana lasa, dia ny teny cibemba, igbo, ary lingala. Vita tamin’ny teny afrikaans koa ny Baiboly manontolo.

Maro no mankasitraka ireo Baiboly vaovao. Hoy ny tatitra iray avy any Eoropa: “Mankasitraka indrindra ny Baiboly amin’ny teny sinoa ireo rahalahy mitory amin’ny Sinoa, ary milaza fa ‘fandikan-teny tena tsara’ izy io.” Hoy ny Sinoa sasany mianatra Baiboly any Kanada: “Tsy maintsy ho Sinoa no nandika an’ity Baiboly ity, fa tena mora azonay ilay izy!” Nanontany toy izao ny olona iray miteny xhosa, any Afrika Atsimo: “Fa avy taiza ity Baiboly mora vakina ity e?” Hoy ny rahalahy iray any Albania: “Milatsaka ao am-po ny tenin’i Jehovah, noho ny fomba nandikana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.” Hoy ny mpitory iray any Kroasia: “Manjary mora mahazo hevitra kokoa aho izao, ary toy ny hoe izaho no miteny an’ireo teny ireo. Tsotra sy toy ny fitenin’ny olona andavanandro ilay fandikan-teny vaovao, nefa feno fahendrena. Azoko tsara kokoa izao ny hatsaran’ny hafatr’i Jehovah sy ny toromariny ho antsika.”

Mbola ilaina ireo boky fianarana Baiboly mba hanelezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny.” (Apok. 7:9) Nahazoana vokatra tsara ny bokikely amin’ny teny lahu, ampiasain’ireo foko any an-tendrombohitra, any avaratr’i Tailandy, sy ny tany manodidina. Hoy ny misionera iray: “Ny bokikely Takina no tena fitaovana ampiasainay amin’ny teny lahu. Efa nozaraina hatraiza hatraiza izy io.” Inona no vokany? “Tanàna maro no manasa anay ho any aminy, nefa tsy afaka nandeha tany amin’izy rehetra izahay, noho ny halaviran-tany sy ny haratsin’ny lalana. Tena mihatra aminay ny Matio 9:37. Renay, ohatra, fa misy vehivavy liana ny fahamarinana, any amin’ny 160 kilaometatra any avaratr’i Chiang Mai, ka mampianatra ankizy kamboty, amin’ny bokikely Takina.”

Maro amin’ireo Indianina any Etazonia no itoriana amin’ny fitenin-drazany. Betsaka izao ny boky amin’ny fiteny navajo, ka anisan’izany ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? amin’ny kasety. Hoy ny mpitory iray: “Misy lehilahy efa 80 taona mahery mpiompy ondry taloha any amin’ny Tendrombohitra Navajo, any amin’ny lavitra indrindra amin’ny faritaninay. Tsy mahita tsara izy. Nanontany azy ny zafikeliny raha tiany ny hihaino kasety momba ny Baiboly amin’ny teny navajo. Nanaiky izy. Niala teo am-pandriana izy, na dia narary aza, ary nipetraka mba hihaino. Raha mba hitanareo mantsy ny tarehiny, rehefa nandre andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly tamin’ny fiteniny izy! Milatsaka ny ranomasoko mitantara izany. Hoy izy avy eo: ‘Nizhoni’, izany hoe ‘tena mahafinaritra.’”

Misy amin’ny fiteny dimy any Mozambika ireo boky sy gazety. Natao tamin’ireo fiteny ireo koa ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra mba hanampiana ny mpamaky, ary niezahana manokana ny fampianarana mamaky teny. Nampiaiky volana ny Prezidà Chissano izany, ka nilaza izy fa tohanany amin’ny fomba feno ny fampianarana Baiboly sy fampianarana mamaky teny ataontsika.

Misy amin’ny fiteny 146 izao Ny Tilikambo Fiambenana, ary 87 ny Mifohaza!, izany hoe tena misy eran-tany tokoa. Olona maro eran-tany no mankasitraka azy ireny, noho ny fampianarana ara-panahy sy ny fanabeazana omeny. Misy mponina 80 000 eo ho eo, ohatra, any amin’ireo nosy Kiribati, any amin’ny Oseana Pasifika, ary ny teny gilbert no ampiasain’izy ireo. Latsaka ny 100 ny mpitory any, nefa efa ho 20 isam-bolana avy ny gazety voapetrak’izy ireo, tato anatin’ireo taona faramparany. Nametraka gazety maherin’ny 100 000 kosa ireo mpitory 1 200 tany Boligaria tamin’ny Aprily 2002.

Tena omen’i Jehovah fitaovana ny vahoakany, mba hanaovan’izy ireo ilay asa asainy atao. Atao amin’ny fiteny maro be maneran-tany io asa io.—Fil. 4:20.

Fitokanana Betela

Notokanana tamin’ny taom-panompoana 2002 ny Betelan’i Trinité, nosy tsara tarehy any Karaiba. Efa notokanana ho an’i Jehovah ny tranon’ny sampana tany, tamin’ny 1985, nefa nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory, taorian’izay. Tsy maintsy nohavaozina be àry ireo tranon’ny sampana, ary nampiana trano iray hafa, ka nitombo avo roa heny ireo trano. Misy trano fonenana sy birao vaovao izao any, ary efitra famakiam-boky, fandraisana olona, efitrano fisakafoana, ary lakozia. Nohavaozina sy nohalehibeazina koa ilay Efitrano Fanjakana mifanila amin’ny Betela. Mpiasa an-tsitrapo avy teo an-toerana no nanao ireo asa rehetra ireo.

Natao tamin’ny 29 Septambra 2001 ilay fitokanana, ka solontena 220 avy tany amin’ny tany 14, sy rahalahy 695 avy teo an-toerana no nanatrika. Nihaino tatitra nampahery momba ny tantaran’ny fitoriana tany Trinité izy ireo, anisan’izany ny tantaran’i Evander Coward sy William Brown. Nisy misionera vahiny maromaro nitantara zavatra nampahery momba ny zavatra niainany hatramin’ny nanendrena azy tany Trinité, tamin’ny 50 taona lasa. Anisan’ireo ny anabavy iray 88 taona, izay mbola mpisava lalana maharitra ankehitriny.

I Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nohamafisiny fa ny olona, fa tsy ny trano, no mivavaka amin’i Jehovah, tamin’ilay lahateniny hoe “Ankasitraho ny Trano Fivavahana Amin’i Jehovah Fahiny sy Ankehitriny.” Nampirisihin’ny Rahalahy Lett tamim-pitiavana àry ireo rahalahy mba ho mpivavaka mankasitraka amin’ny alalan’ny fankatoavana sy ny fitondran-tena.

Ny ampitso, dia nisy fivoriana manokana natao tao Port d’Espagne, ho an’ireo tsy afaka nanatrika ilay fitokanana, ka 13 000 mahery ny mpanatrika. Nisy rahalahy 300 mahery koa nihaino an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-telefaonina, teo amin’ny nosy Tobago, eo akaiky eo. Nanao an’ilay lahateny hoe “Arovy ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah, ka Manetre Tena”, ny Rahalahy Lett. ‘Nifaly tokoa’ ny mpanatrika, noho io fitokanana ny fanitarana ny tranon’ny sampana io.—Deot. 16:15.

Vao haingana koa no nitarina ny Betelan’ny Repoblika Tseky. Tonga tany mba hitokana an’ilay Betela sy trano fanampiny ary Efitrano Fivoriambe roa i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Natao ny asabotsy 4 Mey 2002 ilay fitokanana, ka 2 125 no nanatrika ny lahatenin’ny Rahalahy Herd. Nisy fivoriana manokana natao ny ampitson’iny, ka 5 286 no nihaino an’ilay lahateny nampahery nataon’ny Rahalahy Herd hoe “Mahazo Hery Vaovao, fa Tsy Reraka.” Tena nampahery an’ireo rahalahy tany ireny fandaharana ireny.

Misy 19 823 ireo mpanompo nekena hiasa amin’ireny sampana ireny eran-tany. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana Eran-tany, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy rehetra.

[Tabilao/Sary, pejy 12, 13]

ZAVA-NITRANGA VITSIVITSY TAMIN’NY TAOM-PANOMPOANA 2002

1 Septambra 2001

11 Septambra: Rava ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena.

29 Septambra: Notokanana ny Betelan’i Trinité.

20 Novambra: Nanomboka ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana.

1 Janoary 2002

17 Janoary: Nipoaka ny volkano iray tany Congo.

4 Aprily: Nahemotra ny fitsarana tany Moscou momba ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah.

1 Mey 2002

4 Mey: Notokanana ny Betelan’ny Repoblika Tseky.

9 Mey: Notokanana ny takela-pahatsiarovana ny Vavolombelona nijaly tany amin’ny toby fitanana nazia.

17 Jona: Narovan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina ny zo hitory isam-baravarana tsy ilana fahazoan-dalana.

31 Aogositra 2002

31 Aogositra: Nisy mpitory 6 304 645 tany amin’ny tany 234.

[Sary, pejy 11]

Ambony: Maneho fitiavana toy ny an’i Kristy ireo rahalahy, rehefa misy loza toy ireo

[Sary, pejy 11]

Ambany: Natao tobin’ny mpitsoa-ponenana ity Efitrano Fanjakana any Rwanda ity

[Sary, pejy 22]

Komitin’ny sampana vaovaon’i Etazonia, ankavia miankavanana: (mipetraka) John Kikot, Max Larson, George Couch, Maxwell Lloyd; (mitsangana) Baltasar Perla, Harold Corkern, Leon Weaver, William Van De Wall, John Larson, Ralph Walls

[Sary, pejy 26]

“Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny teny afrikaans

[Sary, pejy 27]

“Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?” amin’ny teny navajo

[Sary, pejy 28, 29]

Nisy solontena avy tany amin’ny tany 14 niaraka tamin’ireo rahalahy teo an-toerana, tamin’ny fitokanana ny Betelan’i Trinité

[Sary, pejy 29]

Faly ireo rahalahy tany amin’ny Repoblika Tseky tamin’ny fitokanana ny Betela vaovao sy trano fanampiny ary Efitrano Fivoriambe roa