Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Moldavia

Nijaly nandritra ny 60 taona mahery ny Vavolombelon’i Jehovah tany Moldavia, teo ambany fitondran’ny mpanjaka romanianina sy ny Fasista ary ny Kominista. Nanampy trotraka koa ny faneren’ny Eglizy Ortodoksa, nandritra ny fitondran’ny mpanjaka sy ny Fasista. Na izany aza anefa, dia i Moldavia no anisan’ny manana salanisan’ny mpitory ambony indrindra eran-tany, raha ampitahaina amin’ny isan’ny mponina! Hovakinao ato fa nanatanjaka ireo rehetra natahotra azy i Jehovah, ary nomeny fandresena ireo rehetra tsy nanaiky ho resin’ny tahotra olona.

Congo Roa Tonta

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ny teny hoe “Congo”? Maro no hieritreritra ala mafana sy mando, izay tena mikitroka ka tsy tanteraky ny tara-masoandro. Saintsaino hoe sady mandre rajako mihorakoraka sy vorona misiotsioka ianao, no mandre feon’amponga mampita hafatra avy any amin’ny tanàna lavitra any. Mety ho azonao an-tsaina koa ny renirano iray midadasika sy lava ary feno fotaka, miolikolika toy ny bibilava vaventy be, manavatsava moramora ny faritra afovoan’i Afrika. Mbola betsaka noho izany anefa no azo ambara momba an’i Congo. Mitondra ny anaran’ilay renirano manasaraka azy, ireo firenena roa ireo. Nisy lehilahy sy vehivavy be herim-po nampiely ny fahamarinana ara-baiboly nanerana an’io faritra mahasondriana io. Hanatanjaka ny finoanao ny famakiana momba izany.