Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moldavia

Moldavia

Moldavia

Any atsinanan’ny Tendrombohitra Carpates no misy an’i Moldavia. Tany lemaka mahavokatra izy io, sady ahitana lohasaha lalina sy hady ary tehezan-tendrombohitra rakotra ala. Mirefy 34 000 kilaometatra toradroa ny velaran’ilay tany, ary ahitana biby maro isan-karazany, toy ny fosa, amboadia, bitrodia, “blaireaux”, serfa, “hermines”, “putois”, ary lambo.

Mainty sady lonaka ny tany, ary antonony ny toetrandro amin’ny ankapobeny, ka tondraka ny voankazo, voamadinika, legioma, ary ny vokatra hafa. Ampy tsara koa ny rano, noho ireo loharano 2 200 sy renirano 3 000, izay samy mivarina any amin’ny Ranomasina Mainty. I Dniestr no renirano lehibe indrindra. Azon’ny sambo ivezivezena, saika manerana ny Repoblikan’i Moldavia, izy io. Manakaiky ny sisin-tanin’i Ukraine, na mamaritra ilay sisin-tany mihitsy, i Dniestr. I Ukraine no eo avaratra sy atsinanana ary atsimon’i Moldavia. Mivarina any amin’i Danube ny Reniranon’i Prout, ary izy io no mamaritra ny sisin-tany iraisan’i Moldavia sy Romania eo amin’ny ilany andrefana.

Ireo korontana teo amin’ny tantaran’i Moldavia

Eo amin’ny lalana mankany Eoropa, anelanelan’i Dniestr sy Prout, no misy ilay faritra fantatra hatramin’ny ela hoe Bessarabie sy Moldova. Anisan’i Skytia io faritra io nandritra ny taonarivo voalohany Talohan’i Kristy. Teo ambany fifehezan’ny Fanjakana Romanina nandritra ny fotoana fohy izy io, taorian’izay. Anisan’ny niteraka korontana teo amin’ny tantaran’i Moldavia ny fanafihana nisesisesy nataon’ny vahiny, toy ny Goths, Huns ary ny Mongols. Teo ambany fahefan’ny Tatars i Moldova tamin’ny taonjato faha-13 sy faha-14, ary lasa anisan’ny Fanjakana Otomanina tamin’ny taonjato faha-16. Navelan’ny Tiorka hotantanan’i Rosia i Bessarabie sy ny antsasak’i Moldova tamin’ny 1812, noho ilay Fifaneken’i Bucarest. Bessarabie no anarana niantsoana an’ilay faritra rehetra tamin’izay.

Lasan’i Romania i Bessarabie tamin’ny 1918. Notantanan’i Rosia vetivety izy io tamin’ny 1940, ary koa tamin’ny 1944. Nantsoina hoe Repoblika Sosialista Sovietikan’i Moldavia (Moldavia Sovietika) io tany io, rehefa notantanan’ny Firaisana Sovietika. Nisaraka tamin’i Moscou i Moldavia Sovietika, rehefa rava ny Kominisma Sovietika. Nahaleo tena izy tamin’ny 27 Aogositra 1991, ary nantsoina hoe Repoblikan’i Moldavia. * I Chisinau, na i Kichinev taloha, no renivohiny.

Nitombo haingana ny mponin’i Moldavia nandritra ireo taona 1960. Niadana sy tsy niova firy anefa izany hatramin’ny 1970. Misy 4,3 tapitrisa eo ho eo izao ny mponina eto. Mpamokatra divay ny ankamaroan’ny mponina, satria izany no indostria lehibe indrindra eto Moldavia. Eto no vokarina ny 3 isan-jaton’ny divay eran-tany. Tena tian’ny olona any Rosia sy Eoropa Atsinanana ny divay vokarin’i Moldavia. (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 71.) Ny tanimboaloboka ara-panahy anefa no tena mampanan-karena an’i Moldavia. Mamokatra fiderana ho an’i Jehovah izy io, ary izany no vokatra tsara indrindra.

“Tanimboaloboka ahazoana divay mahery!”

Nampitahain’i Jehovah tamin’ny “tanimboaloboka ahazoana divay mahery” ny Israely ara-panahy, araka ny voalazan’i Isaia mpaminany. Efa nambara mialoha fa “hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany”, izany hoe hamokatra sakafo ara-panahy mahavelona, io tanimboaloboka an’ohatra io. (Isaia 27:2-6) “Ondry hafa” an-tapitrisa no nanjary nanatevin-daharana ny Kristianina voahosotra noho izany.​—Jaona 10:16.

Faly ny vahoakan’i Jehovah eto Moldavia, noho izy ireo anisan’ny manantanteraka io faminaniana mahafinaritra io. Misy mpitory 1 isaky ny mponina 229 izao eto Moldavia, noho ireo sakafo ara-panahy tonga tsy tapaka avy amin’ny fandaminan’i Jehovah. Vavolombelon’i Jehovah daholo aza ny ampahefatry ny mponina, ao amin’ny tanàna anankiray!

Niaritra fisedrana nivaivay anefa ny Vavolombelon’i Jehovah teto Moldavia, talohan’izany fitomboana izany. Nandrara sy nanenjika ary nampiditra am-ponja ny vahoakan’Andriamanitra, ny fanjakan’olon-tokana tany Romania sy ny Fasista ary ny Kominista, nandritra ny 70 taona teo ho eo. Notanterahin’i Jehovah teto Moldavia sy tany an-toeran-kafa anefa ny faminaniany momba ny “tanimboaloboka ahazoana divay mahery” ara-panahy. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia: “Izaho Jehovah no mpiaro io; isaky ny indray mipì-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy; na andro na alina dia miaro azy Aho.” (Isaia 27:2, 3) Enga anie ka hanatanjaka anao ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah teto Moldavia, rehefa misaintsaina ny herim-po sy ny finoan’izy ireo ianao. Aoka ianao ho tapa-kevitra toa azy ireo, ka hamokatra an’ilay voa sarobidy ho fiderana an’i Jehovah, na inona na inona vato misakana alefan’i Satana.

Nitsidika an’ilay tany i Russell

Tsimoka kely no mitombo ka lasa sampana feno voa. Tsy nisy hafa tamin’izany ny fitomboana ara-panahy teto Moldavia. Andeha hojerentsika ny fomba nampitomboan’i Jehovah an’io tsimoka marefo io ho lasa sampana matanjaka sy feno voa, araka ny hitantsika eto Moldavia ankehitriny. (1 Kor. 3:6) Nitsidika an’io firenena io i Charles Russell tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, nandritra ny dia iray nanerana an’i Eoropa.

Nilaza i Russell tao amin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy, tamin’ny Septambra 1891, fa nitsidika ny tokantranon’ny mpitsara sady Kristianina jiosy atao hoe Joseph Rabinowitch izy. Hoy izy: “Ny fitsidihanay ny Rahalahy Joseph Rabinowitch tao an-tokantranony, tany Kichinev, Rosia [Chisinau, Moldavia ankehitriny], no anisan’ny zavatra nahafinaritra indrindra hatramin’izao. Nandray anay tamin-kafanam-po izy sy ny ankohonany, izay samy mino an’i Jesosy Tompo. . . . Mahafantatra tsara ny fampianarana ao amin’ny [boky Fiandohan’ny Arivo Taona] izy, sady manaiky azy io.” Niantso azy hoe “Rahalahy Rabinowitch” i Russell. Asehon’izany fa niombon-kevitra izy mirahalahy, rehefa niara-nandinika lafin-javatra maro tao amin’ny Soratra Masina.

Tena nazoto nanampy ny Jiosy hanaiky an’i Kristy sy ny fanantenana momba ny Mesia i Rabinowitch sy ny fianakaviany. Nisy 50 000 mahery ny Jiosy tany Chisinau tamin’izany fotoana izany. Nilaza i Russell fa nisy “trano fivoriana vaovao sady madio sy milamina” nifandray tamin’ny tranony sy ny biraony, ary “mahazaka olona 125 teo ho eo izany.” Nanana milina fanontam-pirinty nahodin-tanana koa i Rabinowitch, ka io no nanamboarany trakta, izay natao manokana ho an’ny Jiosy. Nanoratra tany amin’i Russell i Rabinowitch, enin-taona teo ho eo taorian’izay, tamin’ny 1897. Hoy izy: “Ry Rahalahy Russell malala, misaotra anao eram-po eran-tsaina aho amin’izao faramparan’ny taona izao, noho ny sakafo ara-panahy omenao ahy tsy tapaka, amin’ny alalan’ny TILIKAMBO FIAMBENAN’I ZIONA. Toy ny sambo mitondra sakafo ara-panahy avy any an-tany lavitra no fiheverako azy io.” Tia ny fahamarinana sady nazoto nianatra ny Baiboly io lehilahy jiosy io. Telopolo taona tatỳ aoriana anefa vao niorim-paka sy namoa teto Moldavia ny voan’ilay Fanjakana.​—Matio 13:1-8, 18-23.

Nandiso fanantenana ny maro ny Ady Lehibe I

Nitombo ny voan’ny fahamarinana teto Moldavia nandritra ny Ady Lehibe I, noho ny fiovana ara-politika tampoka tany Eoropa. Niala tamin’i Rosia, firenena kominista, i Moldavia, rehefa nifarana ilay Ady Lehibe, ary nikambana tamin’i Romania. Maro tamin’ny miaramila avy eto Moldavia no diso fanantenana, rehefa nahita ny fahoriana nateraky ny ady. Nampianarina tsy hivadika tamin’ny Eglizy Ortodoksa ny ankamaroan’izy ireo, hatramin’ny fahakeliny. Nampisalasala azy ireo anefa ny fampianaran’izy io nanomboka tamin’izay.

Anisan’ireny i Ion Andronic, izay niverina tany Corjeuţi, tanàna niaviany, tamin’ny 1919. Niady hevitra tamin’ny Advantista sy Batista izy tamin’izy babo an’ady, ka nanjary liana tamin’ny Baiboly. Nitondra Baiboly izy rehefa nody, ary niresaka ny hafatra raketin’izy io tamin’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina taminy. Nahatonga azy ireo ho liana koa izany.

Anisan’ny mpiara-monina taminy i Ilie Groza. Tany Etazonia izy nandritra ny ady. Nahazo “Testamenta Vaovao” izy nandritra ny diany nody tany an-tanindrazana. Nifankahazo tsara ny fianakavian’i Andronic sy Groza, ka nanomboka niara-niresadresaka momba ny Tenin’Andriamanitra. Nahazo boky sy gazety navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, koa izy ireo.

Hoy i Ioana, zanakavavin’i Ilie Groza: “Enin-taona teo ho eo angamba aho, tamin’ny fianakavianay naharay voalohany ny boky sy gazety navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy tadidiko hoe taiza no nahazoanay an’ireny boky sy gazety ireny. Tsaroako anefa fa nientam-po erỳ ny ray aman-dreniko sy ny zokiko, rehefa nandinika ny fanazavana momba ny Soratra Masina noraketin’izy ireny.”

Nifidy ny tsy hanolo-tena ho an’i Jehovah i Ion Andronic tatỳ aoriana. Tsy nanao toy izany kosa anefa ny fianakaviany sy ny ankamaroan’ny fianakavian’i Groza. “Ny fianakavianay roa tonta ihany no niara-nivory tamin’ny voalohany”, hoy i Ioana. “Niteraka efatra mirahavavy ny ray aman-dreniko, fa nanan-janaka lahy sy vavy maromaro kosa ry Andronic mivady. Tsy ela àry dia nanomboka nifankatia i Vasile Andronic sy Feodolina rahavaviko, ary nivady izy ireo tatỳ aoriana.”

“Niara-nianatra Baiboly taminay i Tudor sy Daria Groza, mpivady havanay lavitra. Mpianatra Baiboly nafana fo i Tudor. Nankany amin’ny biraon’ny sampana tany Cluj-Napoca, any Romania, mihitsy aza izy, mba hahazoana boky sy gazety, ary ny valin’ireo fanontaniany maro be momba ny Baiboly. Izy no lasa andry niankinan’ilay fiangonana kelinay, rehefa nandeha ny fotoana.”

“Tonga niresadresaka momba ny Baiboly niaraka taminay tao an-trano koa ry Iacuboi mianakavy, mpiara-monina taminay. Efa nampiantrano lehilahy iray nizara Baiboly i Petru Iacuboi, loham-pianakaviana. Nanjary nahaliana an’i Petru ny Soratra Masina, noho ny fitsidihan’io vahiny io. Nandinika ny fampianaran’ny Batista nandritra ny fotoana kelikely i Petru, nefa tsapany fa tsy io no fahamarinana. Tamin’izay indrindra izy no tonga nanatevin-daharana ilay antokona Mpianatra Baiboly nisy anay.”

“Voatosika hizara ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana tamin’ireo havana aman-tsakaiza tao an-tanàna sy ny manodidina izahay, noho ny zavatra nianaranay.”

Niely patrana haingana ny hafatra momba ilay Fanjakana teto Moldavia. Nanasongadina izany ity tatitra tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1921 ity: “Nanoratra toy izao ny rahalahy iray, izay Advantista taloha, ary mipetraka any Bessarabie [anaran’i Moldavia taloha]: ‘Olona 200 eo ho eo no nandray ny fahamarinana teto amin’ny tanànan’i Corjeuţi, ankoatra ny tanàna manodidina.’”

Nahita ny fahamarinana tao amin’ny tanànan’i Şirăuţi i Ilarion Bugaian, mpikambana nafana fo tao amin’ny Eglizy Ortodoksa, tamin’ny voalohandohan’ireo taona 1920. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy mandra-pahafatiny. Niverina tao amin’ny tanànan’i Bălţi i Moise Ciobanu. Nianatra Baiboly izy nandritra ny Ady Lehibe I, tamin’izy nigadra tany Alemaina. Tsy ela dia nisy antoko-mpitory niforona tany Bălţi, ary izy io no lasa fiangonana voalohany tany an-toerana.

Nitondra fanampiana ny Vavolombelona romanianina

Nandefa rahalahy za-draharaha teto Moldavia ny sampan’i Romania nandritra ireo taona 1920, mba hanampy amin’ny asa fitoriana sy hanatanjaka ireo vaovao. Anisan’ireo mpitory tonga teto voalohany i Vasile Ciucaş avy any Transylvanie. Nahay ny fiteny romanianina sy hongroà izy. Niara-nipetraka tamin-dry Groza mianakavy foana i Vasile, rehefa nitsidika ilay fiangonana vaovao tany Corjeuţi. Tian’i Ioana erỳ ireny fitsidihana ireny. Hoy izy: “Valo taona teo ho eo aho tamin’izany, nefa mbola tadidiko tsara ny fitsidihan’ny Anadahy Ciucaş. Tena tsara fanahy izy, sady nitantara zavatra nahaliana foana, ka tsy te hatory mihitsy izahay! Niady ny hipetraka teo anilany foana izahay mirahavavy.”

Nampiely ny vaovao tsara tany amin’ireo tanàna nanodidina foana ireo Vavolombelona romanianina sy ireo mpitory be zotom-po teto an-toerana. Niresaka tamin’ny hafa ireo zavatra tsara nianarany tao amin’ny Baiboly i Cazimir Cislinschii tany Tabani, 11 kilaometatra avy teo Corjeuţi. Nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana i Cazimir, fony izy tao amin’ny tafika romanianina. I Dumitru Gorobeţ no anisan’ny olona voalohany nandray tsara ny fitoriana nataon’i Cazimir, tany Tabani. Tena Mpianatra Baiboly nafana fo izy. Misy 475 izao no Vavolombelona, amin’ireo mponina 3 270 any Tabani, noho ny zotom-pon’i Dumitru sy ny hafa.

Tonga tany amin’ny tanànan’i Caracuşeni koa ny hafatra momba ilay Fanjakana, tany am-piandohan’ireo taona 1920. Telo na efatra kilaometatra avy eo Corjeuţi no misy azy io. Anisan’ireo nanaiky ny fahamarinana voalohany tany Caracuşeni i Vladimir Lungu, vita batisa tamin’ny 1927. Niaritra fanenjehana mafy i Vladimir noho ny finoany kristianina, ary maty nahatoky izy tamin’ny 2002. Olona maro be no hitan’i Vladimir nandray ny fahamarinana tao an-tanànany fony fahavelony. Misy mponina 4 200 ao amin’ny tanànan’i Caracuşeni ankehitriny, ary saika Vavolombelona avokoa ny ampahefatr’izy ireo!

Nahita ny fahamarinana i Alexandru Mikitkov, rahalahy nahatoky hafa, tamin’ny taona 1929, rehefa nitsidika ny tanànan’i Iaşi, any Romania. Hoy i Ivan zanany lahy: “Nanomboka nitory ny vaovao tsara i Dada raha vao tafaverina tany Ţaul, tanàna nisy anay. Tsy ela dia nisy fivoriana kristianina tao an-tranonay.”

Hoy koa i Ivan: “Nifandray hatrany tamin’ny biraon’ny sampana tany Romania i Dada. Nitsidika anay ny rahalahy matotra avy any Romania, indraindray. Nampalahelo anefa fa maty ny zandriko vavikely nandritra ny iray tamin’ireny fitsidihana ireny, tamin’ny 1931. Be mpahalala ny fianakavianay, ka maro ny mpiray tanàna tonga tamin’ny fandevenana. Ny Rahalahy Vănica, mpitsidika avy tany Romania, no nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’ny fandevenana. Fitoriana niavaka tokoa izany, satria voaporofo fa nandainga ny mpitondra fivavahana rehefa nampiely fa tsy manao fandevenana mendri-kaja ny Mpianatra ny Baiboly. Nanazava tsara ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ny Rahalahy Vănica tao amin’ny lahateniny, ka namafy voa tsara tao am-pon’ireo nanatrika teo izany. Niandany tamin’ny fahamarinana ara-baiboly koa izy ireo, tsy ela taorian’izay.”

“Nisy vokany lalina teo amin’ny fianakavianay koa ny fampaherezana ara-panahy nomen’ny Rahalahy Vănica. Nanjary tapa-kevitra ny hitory manontolo andro (mpisava lalana), ohatra, i Dumitru zokiko lahy. Vonona hanampy olona maro araka izay azony natao izy, ka nandeha tany amin’ny faritra mbola tsy nitoriana, teto Moldavia. Nanohana ny fanapahan-keviny tamin’ny fonay manontolo izahay mianakavy. Nalahelo ihany anefa aho rehefa nilaozan’ny zokiko lahy. Dibo-kafaliana erỳ izahay rehefa tonga nitsidika anay izy, sady nitantara ireo zavatra nahafinaritra hitany teny amin’ny fanompoana!”

Nitombo ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana

Efa hatrany am-piandohana ny mpitondra fivavahana ortodoksa no nanohitra ny fitoriana ny vaovao tsara. Vao mainka tezitra anefa izy ireo, rehefa nisy nianatra ny fahamarinana ny mpikambana tao amin’ny egliziny, ka tsy nety nanao ny mariky ny lakroa intsony, sady tsy nety nitondra ny zanany hatao batemy.

Noteren’ny pretra ortodoksa hivadika tamin’ny finoany i Ioana Groza tamin’izy folo taona teo ho eo. Hoy izy: “Nanazava taminay i Dada fa tsy araka ny Soratra Masina ny fanaovana ny mariky ny lakroa. Noteren’ny pretra hanao ny mariky ny lakroa anefa izahay tany am-pianarana. Natahotra an’io rangahy io aho, nefa natahotra ny tsy hampifaly an’i Dada koa. Noho izany dia tsy nandeha tany am-pianarana aho, fa niafina tao anaty fitahirizam-bokatra. Fantatr’i Dada anefa, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, fa tsy tonga tany am-pianarana aho. Tsy nibedy ahy izy, fa nangataka fanazavana tamin-katsaram-panahy. Nolazaiko an’i Dada fa natahotra an’ilay pretra aho. Notantanan’i Dada aho, ary niaraka nankany an-tranon’ilay pretra izahay mianaka.”

“Hentitra i Dada rehefa nilaza an’izao tamin’ilay pretra: ‘Raha ianao no manome hanina sy fitafiana ary fonenana ho an’ity zanako vavy ity, dia mahazo milaza aminy izay tokony hataony momba ny fivavahana ianao. Koa satria tsy manao izany rehetra izany ianao, dia tsy mahazo mitsabaka amin’izay zavatra ampianariko ny zanako.’ Tsy sahy nanelingelina ahy intsony io pretra io, taorian’izay.”

Ny mpitondra fivavahana mazàna no nanan-kery indrindra teo amin’ny fiaraha-monina. Nanao toy ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy izy ireo, ka nampiasa ny fahefany mba hanaratsiana ny lazan’ny mpanompon’i Jehovah. Nanao tsinontsinona an’ireo rahalahy, na natahotra ny hiresaka tamin’izy ireo, àry ny mpivavaka tao amin’ireny eglizy ireny. Tena tian’ny mpitondra fivavahana ny nanararaotra ny fifankahalana nisy teo amin’i Moldavia sy ny Firaisana Sovietika. Natahotra ny ‘fandrahonan’ny’ Kominista tany amin’ny Firaisana Sovietika, ohatra, ny mponina tamin’izany andro izany. Nanararaotra izany tahotra izany ny pretra ka nolazainy fa Kominista ny Mpianatra ny Baiboly, ka izany no mahatonga azy ireo tsy hanao ny mariky ny lakroa.

Tsy izay ihany anefa ny tetika nampiasain’ireo mpitondra fivavahana ireo. Nampirisika ny mpitondra fanjakana hanohitra ny vahoakan’Andriamanitra koa izy ireo, toy ny nataon’ny Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy.​—Jaona 18:28-30; 19:4-6, 12-16.

Teo ambany fitondran’ny fanjakan’olon-tokana tany Romania i Moldavia, tamin’ny 1918 ka hatramin’ny 1940. Nanendry minisitry ny fivavahana ny governemanta tany Romania, mba hiandraikitra ny raharaha ara-pivavahana. Niandany tamin’ny fivavahana ortodoksa io minisitra io, ka nanohitra ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly, ary nataony izay handrarana ny asan’izy ireo sy ireo boky ara-baiboly. Nampangaina ho niara-niasa tamin’ny Kominista ireo rahalahy, araka ny mety ho efa fantapantatrao.

Nankahalain’ny mpitondra fanjakana ny vahoakan’i Jehovah. Izany no vokatr’ilay toromarika nalefan’ny manamboninahitra iray tany amin’ny lehiben’ny polisy, tamin’ny 25 Aprily 1925. Izao no voalaza tao: “Araka ny Toro Lalan’ny Mpitandro Filaminana No. 17274/925, dia voninahitra ho anay ny manambara aminareo ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Minisiteran’ny Atitany: Voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny ‘Mpianatra ny Baiboly’ iraisam-pirenena. Aoka ianareo handray ny fepetra ilaina mba hanatanterahana izany.”

Nisy heriny teo amin’ireo rahalahy io fanoheran’ny fanjakana io. Hita taratra izany tamin’ny tatitra nalefan’ny sampan’i Romania tany amin’ny Foibe, tamin’ny 17 Oktobra 1927. Izao no voalazan’ilay tatitra raha fintinina: Voarara ny fivorian’ny fiangonana na aiza na aiza, ary ‘rahalahy an-jato no nantsoina tany amin’ny fitsaran’ny sivily sy miaramila.’ Izao koa no voalaza tao: ‘Fivoriana vitsivitsy monja no azo nalamina nandritra ny fahavaratra, satria mbola nanara-maso akaiky ny fiangonana ny polisy miafina sy ny mpitandro filaminana, indrindra tany amin’ireo tanàna nisy ny ankamaroan’ny fiangonana. Tany anaty ala, na tany amin’ny toerana tsy nisy mpahita, no nanaovana ny ankamaroan’ireo fivoriana.’

Hoy ihany ilay tatitra: ‘Voafetra koa ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny Martsa. Tamin’io volana io mantsy ny minisitry ny atitany no nanome baiko miafina sy hentitra, fa tokony hotadiavina sy hosamborina ireo mpitory manontolo andro, izay nantsoiny hoe “mpanao fampielezan-kevitra.” Saika nampidirina am-ponja avokoa ny mpitory manontolo andro rehetra, tao anatin’ny fotoana fohy. Tsy misy matahotra na izahay na ireo rahalahy, satria efa niaritra fanenjehana izahay hatramin’ny nanombohan’ny asa fitoriana teto amin’ity firenena ity. Maty paika anefa ny tetika natao hampitsaharana ny asanay, ka tena sarotra ny manao ny asa fitoriana.’

Olona maro no nisaraka tamin’ny Eglizy Ortodoksa ary niandany tamin’ny fahamarinana, tamin’ny faramparan’ireo taona 1920. Nandefa taratasy tany amin’ny lehibeny mantsy ny pretra tao amin’ny tanàna iray, tamin’ny 1928. Hita tao amin’io taratasy io ny anaran’ireo olon-dehibe sy ankizy 43 tao amin’ny paroasin’i Şirăuţi, tanàna nisy an’io pretra io. Hoy izy: “Voninahitra ho anay ny manome ny anaran’ireo olona mpivavaka ao amin’ilay sekta hoe ‘Mpianatra ny Baiboly.’ Tsy mahomby izy ireo na dia miezaka mafy aza. Any an-tranon’olona izy ireo no miangona fa tsy manana trano ivavahana.”

Mpivavaka tao amin’ny Eglizy Ortodoksa anefa ny ankamaroan’ireo olona 43 tao amin’ilay lisitra. Manaporofo izany fa diso ny filazan’ilay pretra hoe “tsy mahomby” ny Mpianatra ny Baiboly. Anisan’ireo ankizy nosoratany tao i Agripina Barbuţă. Efa 80 taona mahery izy izao, ary mbola be zotom-po amin’ny asan’i Jehovah.

Fitoriana tsy ara-potoana, indrindra tamin’ny havana, no tena nataon’ireo rahalahy rehefa sarotra ny nitory ampahibemaso. Tia niara-nikorana ny mpihavana tamin’izany fotoana izany, ka io fomba amam-panao io no nohararaotin’ireo rahalahy mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny hafa. Tsy misy tokoa mantsy lalàna manakana ny fianakaviana tsy hifampiresaka.

Fangatahana mba hanekena ny asa ho ara-dalàna

Nanao tatitra vita pirinty nahatratra 50 pejy ireo rahalahy tany amin’ny sampan’i Cluj-Napoca, Romania, rehefa norarana ny asa fitoriana tamin’ny 1925. Nalefan’izy ireo tany amin’ny minisitry ny fivavahana izy io. Niresaka fohy momba ny fampianarana sy ny finoantsika izy io, sady niangavy ny mpitondra mba hanala ilay fandrarana. Navela hihaona tamin’ilay minisitra ny rahalahy iray, tamin’ny Septambra 1927, ary intelo miantoana no nanaovana izany. Nanantena ilay rahalahy fa hesorina ilay fandrarana, rehefa nifarana ny fihaonana farany. Tsy nanisy fiheverana ny fangatahan’ireo rahalahy anefa ny mpitondra fanjakana. Vao mainka niharatsy ny tarehin-javatra, satria nanao lalàna hampahoriana ny vahoakan’i Jehovah ny mpitondra. (Sal. 94:20; Dan. 6:6-10) Izao àry no voalazan’ilay taratasim-panjakana, tamin’ny 29 Mey 1932: “Voarara tanteraka ny asa rehetra” ataon’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena.

Tsy nitovy anefa ny fampiharana izany lalàna izany tany Romania sy Moldavia. Samy nandray ny fanapahan-keviny manokana momba ny Mpianatra ny Baiboly teo amin’ny faritra nisy azy ny mpitondra fanjakana. Nanatona an’ireny mpitondra ireny àry ireo rahalahy, mba hiarovana ny vaovao tsara sy hanamafisana orina azy io araka ny lalàna, na dia teo amin’ny tanàna nisy azy fotsiny aza.​—Fil. 1:7.

Nisy vokany tsara ireny ezaka ireny tany amin’ny toerana sasany. Izany no nitranga tany Bucarest, Romania, rehefa nafindra tany ny biraon’ny sampana, izay tany Cluj-Napoca taloha. Nekena ho ara-dalàna ihany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Bucarest tamin’ny 1933, taorian’ny ezaka nitohy nataon’ireo rahalahy.

Nisy mihitsy aza mpitsara ambony nilaza fa tsy nankasitraka ny fandrarana ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra. Sahy namoaka didy, ohatra, ny Fitsarana Ambony tany Cluj-Napoca, tamin’ny 8 Mey 1935, fa tsy ara-dalàna ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza toy izao koa ilay didy: “Mampianatra ny olona hifankatia sy hino an’Andriamanitra sy Kristy ireo bokin’ny [Vavolombelon’i Jehovah] nalain’ny fanjakana. Noho izany, dia tsy tokony hampangaina ho manohitra ny fitondrana ireny boky ireny. Tsy manohintohina ny filaminam-pirenena mihitsy izy ireny.”

Nitohy ny fanenjehana

Mbola nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra ihany anefa ny mpitondra fanjakana tamin’ny ankapobeny. Nanoratra tany amin’ny lehibeny tany Chisinau, ny talen’ny Birao Miantoka ny Fiarovana tany Soroca, tamin’ny 28 Martsa 1934. Nilaza izy fa ‘fianakaviana roa monja no mpikambana tao amin’io sekta io tamin’ny 1927, nefa efa nahataona fianakaviana 33 izy ireo izao.’ Nilaza koa izy fa “mandà ny eglizy” sy ny “fombafombany ara-pivavahana” ny Vavolombelona. “Tsy mangataka ny pretra hanao lamesa ho azy izy ireo, fa manao ny fivavahany manokana.” Nofaranany toy izao ilay taratasy: “Mitaona olona hatrany [ny Vavolombelona], ary mety hanakorontana ny rafitra efa misy sy ny filaminam-pirenena izany.”

Nanoratra tany amin’ny filohan’ny fivondronan’i Soroca ireo rahalahy tamin’ny 6 Mey 1937, ka nangataka mba hesorina tsy ho anisan’ny sekta tsy ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Nazava anefa ny valiny nalefan’ny filohan’ny faritany tany amin’ilay filohan’ny fivondronana, tamin’ny 15 Jona 1937. Izao no voalaza tao: “Noraran’ny Minisitry ny Fivavahana sy ny Zavakanto . . . ny asan’ny [Vavolombelon’i Jehovah]. Noho izany dia tsy afaka manala azy ireo tsy ho anisan’ny sekta [tsy ara-dalàna] isika, satria mbola miezaka mampandroso an’io sekta io izy ireo.”

Nanamafy izany fanoherana izany ny gazetim-panjakana tamin’ny 12 Jolay 1939 ka nilaza, fa “voarara tanteraka” ny Vavolombelon’i Jehovah sy izay fikambanana ara-dalàna ampiasainy. Efa voalaza teo aloha fa teo ambany fitondran’i Romania i Moldavia, tamin’izany fotoana izany. Fanjakan’olon-tokana no nitondra an’io firenena ortodoksa io. Nitsara an-tendrony ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ny manam-pahefana, ka mbola ratsy kokoa noho ny voalazan’ny lalàna ny fomba nitondrany ny Vavolombelona.

Nampiasa herisetra ny manam-pahefana

Ireo mpitondra fanjakana sady Ortodoksa nafana fo matetika no nitarika ny fanoherana ny asa fitoriana, noho ny fankahalana ara-pivavahana. Mampiseho izany ny zavatra niainan’i Dumitru Gorobeţ sy Cazimir Cislinschii. Nahita ny fahamarinana tao amin’ny tanànan’i Tabani i Dumitru sy Cazimir. Tsara toetra sy be zotom-po tamin’ny fanompoana izy ireo, ka vetivety dia maro ny rahalahy nahafantatra sy tia azy ireo. Nosamborina izy mirahalahy tamin’ny 1936, ary nentina tany amin’ny paositry ny polisy, tany amin’ny tanànan’i Khotin (any Ukraine ankehitriny).

Nikapoka mafy an’i Dumitru sy Cazimir ny polisy tamin’ny voalohany. Avy eo dia notereny hanao ny mariky ny lakroa izy ireo. Tsy nety mihitsy anefa izy roa lahy, na dia nokapohina foana aza. Vizana ny polisy rehefa ela ny ela. Navelan’izy ireo nody mihitsy aza i Dumitru sy Cazimir tamin’ny farany. Tsy vita hatreo anefa ny fisedrana an’ireo rahalahy nahatoky ireo. Mbola niaritra zava-tsarotra maro izy ireo noho ny vaovao tsara, teo ambany fitondrana fasista sy kominista. Maty tany Tomsk, Rosia, i Dumitru tamin’ny 1976. Maty teto Moldavia kosa i Cazimir, tamin’ny Novambra 1990.

Ny sampan’i Romania no nanara-maso ny asa teto Moldavia, nandritra ireo taona 1930. I Martin Magyarosi, natao batisa tamin’ny 1922, no mpikarakara ny sampana tamin’izany fotoana izany. Nitsidika fiangonana maro tany avaratr’i Moldavia i Martin sy Pamfil Albu, vinantolahiny, mba hanatanjahana sy hampaherezana azy ireo. Nanao izany izy ireo noho ny fitiavany sy ny fiahiany ireo rahalahy, izay niaritra fisedrana mafy tamin’izay. Tonga ara-potoana tokoa ireny fitsidihana ireny, satria tsy ela taorian’izay dia lasibatry ny Ady Lehibe II i Eoropa. Tsara toerana koa i Moldavia, ka nifandroritan’ireo firenena teo akaikiny, izay natanjaka kokoa noho izy.

Ravan’ny Ady Lehibe II i Eoropa

Nanao sonia ny dinan’ny tsy fifanafihana ny Firaisana Sovietika sy ny fitondrana nazia tany Alemaina, tamin’ny 23 Aogositra 1939. Nanafika an’i Polonina i Alemaina tamin’ny 1 Septambra 1939, ary izay no nitarika ny Ady Lehibe II. Nasain’i Vyacheslav Molotov, Minisitry ny Raharaham-bahiny Sovietika, nilavo lefona ny fitondrana romanianina tamin’ny 26 Jona 1940, sady hamela an’i Bessarabie hotantanan’ny Firaisana Sovietika. Nanaiky i Romania. Tonga teto Moldavia àry ny miaramila sovietika, tamin’ny 28 Jona 1940. Niforona ny Moldavia Sovietika tamin’ny Aogositra 1940, ary i Chisinau no renivohiny.

Fohy ihany anefa ny fotoana nifehezan’ny Sovietika an’i Moldavia. Tsy nanaja ny dinan’ny tsy fifanafihana i Alemaina tamin’ny 22 Jona 1941, ka nanafika an’i Rosia. Nanararaotra io fisehoan-javatra io i Romania, ka nilaza tena ho niandany tamin’i Alemaina, ary nataony avy eo izay hahazoana indray an’i Moldavia Sovietika.

Nahomby ilay tetika, satria resin’ny tafika romanianina ny Rosianina tamin’ny 26 Jolay 1941, ka voatery nihemotra tany ampitan’ny Reniranon’i Dniestr. Notantanan’i Romania indray i Moldavia, rehefa avy notantanan’ny Sovietika nandritra ny herintaona mahery kely. Fitondrana fasista mpanindrahindra firenena no nitondra an’i Romania nanomboka tamin’ny Septambra 1940, ary notarihin’ny Jeneraly Ion Antonescu, mpitondra tsy refesi-mandidy. Tsy nilefitra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy ny fitondrany, noho izy ireo tsy nety nanao politika.

Ny fisedrana mafy nataon’ny Fasista

Tsy ela dia nanampatra ny fahefany teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana fasista notarihin’i Antonescu, niaraka tamin’i Hitler sy ireo Fanjakan’ny Axe. Diniho izay nahazo an’i Anton Pântea, teraka tamin’ny 1919. Nianatra ny fahamarinana i Anton tamin’izy mbola zatovo, ary tena nazoto nitory isan-trano izy. Efa imbetsaka izy no saika voakapoka. Nilaza tamim-pahasahiana anefa izy fa teratany romanianina, ka nanana zo hiresaka momba ny finoany. Noho izany dia tsy voakapoka izy, nandritra ny fotoana kelikely. Nosamborin’ny polisy ihany anefa izy tamin’ny farany. Notarihin’ny polisy fasista tany amin’ny paositry ny polisy izy, nokapohiny nandritra ny alina manontolo, ary avy eo nafahany. Efa 84 taona izao ny rahalahy Pântea, ary mbola tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah foana.

Nianatra ny fahamarinana teto Moldavia nandritra ireo taona 1920 i Parfin Palamarciuc, mpanompo tsy nivadika hafa. Nanjary mpitory ny vaovao tsara be zotom-po koa izy. Nandao ny tranony nandritra ny herinandro maromaro izy, mba hitoriana tany amin’ny tanànan’i Chernovtsy ka hatrany Lviv, any Ukraine. Tsy nety nandray fitaovam-piadiana i Parfin, ka nosamborin’ny Fasista tamin’ny 1942, ary nentina teo amin’ny fitsaran’ny miaramila tany Chernovtsy.

Izao no notantarain’i Nicolae, zanakalahin’i Parfin, momba ireny fisehoan-javatra ireny: “Nanameloka ho faty rahalahy 100 io fitsaran’ny miaramila io, ary nasaina nampiharina avy hatrany ilay sazy. Novorin’ny polisy ireo rahalahy ary nofidiny ireo folo hotifirina voalohany. Noterena hihady ny lavaka hilevenany anefa izy ireo talohan’izay, ary nanatri-maso izany ny 90 ambiny. Mbola nomen’ireo polisy fahafahana handa ny finoany sy hanao miaramila koa ireo rahalahy, talohan’ny hitifirany azy. Nanaiky lembenana ny roa, fa notifirina kosa ny valo. Nalahatra indray ny folo hafa avy eo. Tsy maintsy nandevina ireo voatifitra anefa izy ireo alohan’ny hitifirana azy.”

“Tonga ny lehiben’ny polisy iray, raha mbola nandevina ny namany ireo rahalahy. Nanontany ny isan’ny Vavolombelona nanaiky lembenana ilay lehiben’ny polisy. Nilazana izy fa roa monja no nanao izany. Hoy izy avy eo: ‘Raha tsy maintsy hamono olona 80 isika mba hahazoana miaramila 20, dia aleo ampanaovina asa an-terivozona ny 92 ambiny.’ Novana ho asa an-terivozona 25 taona àry ilay fanamelohana ho faty. Nanafaka ireo Vavolombelona tao amin’ny toby romanianina anefa ny tafika sovietika, telo taona latsaka kely taorian’izay. Tafavoaka velona tamin’izany sy ny fahoriana maro hafa i Dada. Maty nahatoky teo anatrehan’i Jehovah izy, tamin’ny 1984.”

Natao toy ny mpanao heloka bevava izay tsy Ortodoksa!

Tovolahy efa nanambady i Vasile Gherman. Vao teraka vavikely ny vadiny tamin’ny Desambra 1942, raha nosamborin’ny Fasista i Vasile. “Heloka” roa no niampangana azy: Tsy nety nanao miaramila izy, sady tsy nitondra ny zanany vavy hatao batemy tany amin’ny Eglizy Ortodoksa. Hoy izy: “Nentina tany amin’ny fitsaran’ny miaramila tany Chernovtsy izaho sy ireo rahalahy nahatoky 69, tamin’ny Febroary 1943. Noteren’ny manam-pahefana hanatrika ny famonoana jiolahy enina izahay, talohan’ny namoahana ny didim-pitsarana. Azonay antoka àry fa ho anisan’ireo homelohina ho faty koa izahay.”

“Nifampiresaka momba ilay raharaha izahay, ary tapa-kevitra ny hiorina amin’ny finoana sy hiezaka mafy mba hihazona ny fifalianay mandra-pahavitan’ny fitsarana. Afaka nanao izany izahay, noho ny fanampian’i Jehovah. Voaheloka ho faty tokoa izahay 70 lahy, ary takatray fa nijaly noho ny fahamarinana izahay. Tsy nisy kivy izahay na dia iray aza, ka sorena ny fahavalo. Nisy zavatra tsy nampoizina anefa. Novan’ny manam-pahefana ny sazinay, ka tsy notifirina indray izahay fa nasaina nanao asa an-terivozona 25 taona tany amin’ny tobin’i Aiud, any Romania. Tsy vita hatramin’ny farany koa na dia io sazy io aza. Tonga ny tafika sovietika, herintaona sy tapany taorian’izay, ka nanafaka izay rehetra tao amin’ny toby, tamin’ny Aogositra 1944.”

Nantsoin’ny Fasista ho ao amin’ny tafiky ny Jeneraly Antonescu ny lehilahy 800 teo ho eo avy tao amin’ny tanànan’i Şirăuţi, Moldavia, tamin’ny 1942. Anisan’ireo ny Vavolombelona maromaro, toa an’i Nicolae Anischevici. Hoy i Nicolae: “Nasain’ny polisy nandray anjara tamin’ny fombafombam-pivavahana iray izahay tamin’ny voalohany. Tsy nety nanao izany ny Vavolombelona, sady tsy nety nandray fitaovam-piadiana. Nampangain’ny polisy ho Kominista àry izahay, ka nosamboriny. Navelany nanazava tamin’ny hafa ny antony tsy nanaovanay politika anefa izahay, vao nampidiriny tany am-ponja.”

“Nafindra tany Briceni, toerana nisy ny fitsaran’ilay fivondronana, izahay ny ampitson’io. Nosavana tsara izahay, ary nesorina ny akanjonay. Avy eo dia nametraka fanontaniana taminay ny pretra iray, izay manamboninahitra tao amin’ny tafika. Tsara fanahy izy, ary takany ny antony nahatonga anay tsy hanao miaramila. Nasainy nomena sakafo àry izahay. Nanoratra koa izy fa ny finoanay an’i Jesosy no nahatonga anay tsy nety nandray fiadiana.”

“Nentina tany amin’ny paositry ny polisy tany Lipcani izahay, rehefa avy tany Briceni. Tsy nasian’ny polisy indrafo izahay tany, fa nokapohiny mandra-pahalin’ny andro. Nampidirin’izy ireo tao amin’ny efitra figadrana iray izahay sy ny rahalahy roa hafa ary ny vehivavy iray. Fantatray tatỳ aoriana, fa hay mpitsikilo io vehivavy io. Nokapohina isan’andro izahay, nandritra ny andro maromaro. Nalefa tany amin’ny fitsaran’ny miaramila tany Chernovtsy aho, tatỳ aoriana. Nomena mpisolovava aho, ary nanampy ahy tokoa izy io. Tena niharatsy anefa ny fahasalamako noho ny fampijaliana natao tamiko. Nihevitra àry ireo manam-pahefana miaramila fa ho faty aho, ka tsy nosazin’izy ireo fa nalefany nody.”

Tsy nivadika ireo anabavy mahery fo

Niharan’ny fahatezeran’ny Fasista koa ireo anabavy. Anisan’izany i Maria Gherman (tsy havan’i Vasile Gherman, saingy iray fiangonana taminy). Nosamborina i Maria tamin’ny 1943, ary nentina tany amin’ny paositry ny polisy tany Balasineşti. Hoy izy: “Nosamborin’ny polisy aho, satria tsy nety nankany amin’ny Eglizy Ortodoksa. Nalefan’izy ireo tany Lipcani, Moldavia aho tamin’ny voalohany, ary avy eo nosazina tany Chernovtsy, Ukraine.”

“Nanontanian’ny mpitsara ahy ny antony tsy nandehanako tany am-piangonana. Nolazaiko taminy fa i Jehovah ihany no ivavahako. Noho izany ‘heloka’ izany, dia nosazina 20 taona an-tranomaizina izaho sy ny rahavavy 20 hafa. Nampidirina tao amin’ny efitra figadrana tery kely niaraka tamin’ny olona 30 hafa ny sasany taminay. Nasaina niasa tany an-tranon’ny mpanan-karena anefa aho nandritra ny andro. Tsara kokoa ny fomba nitondran’izy ireo ahy, raha nampitahaina tamin’ny an’ireo mpiandraikitra ny fonja, satria mba nanome sakafo ahy izy ireo, fara faharatsiny!”

“Trano hafa no nisy ireo anadahy tao amin’io fonja io, ary afaka nifandray tamin’izy ireo izahay, rehefa nandeha ny fotoana. Nitondra fitahiana tokoa izany fifandraisana izany, satria afaka nanampy an’ireo anadahy hahazo sakafo ara-nofo sy ara-panahy izahay.”

Niaritra ny fampijalian’ny Fasista ireo Kristianina tsy nivadika ireo sy ny Vavolombelona hafa teto Moldavia. Mbola nijaly noho ny finoany ihany anefa izy ireo, rehefa nandimby ny Fasista ny Kominista rosianina.

Fanaovana sesitany

Resy i Alemaina tamin’ny 1944, rehefa nadiva hifarana ny ady, ary naongan’i Michel Mpanjaka ny fitondran’ny Jeneraly Antonescu. Niala tamin’ireo Fanjakan’ny Axe i Romania, ary niandany tamin’i Rosia. Tonga ny tafika sovietika tamin’io taona io, ary nasehon’izany fa ny Rosianina indray no nifehy ilay faritra. Nikambana tamin’ny Firaisana Sovietika indray i Moldavia, ka nantsoina indray hoe Moldavia Sovietika.

Tsy nanembantsembana ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana kominista teto Moldavia tamin’ny voalohany. Tsy naharitra ela anefa izany. Tsy nety nandatsa-bato tamin’ny fifidianana nataon’ireo antoko teo an-toerana ny Kristianina, noho izy ireo tsy nanao politika, ka niteraka adihevitra be izany. Tsy nilefitra tamin’ireo tsy nety nanao politika mihitsy ny fitondrana sovietika, ka nitady fomba handaminana ilay zava-manahirana. Nalefany sesitany ny Vavolombelon’i Jehovah sy izay olona hafa nanohintohina ny fitondrana, nanomboka tamin’ny 1949.

Nisy taratasy nirakitra ny “fanapahan-kevitra noraisin’ny Birao Foiben’ny Antoko Kominista” mahakasika ireo olona tokony hatao sesitany avy any Moldavia Sovietika. Anisan’izany “ireo tompon-tany teo aloha, mpivarotra, mpiray tsikombakomba tamin’ny mpanani-bohitra alemà, olona niara-niasa tamin’ny polisy alemà sy romanianina, mpikambana tao amin’ny antoko na fikambanana manohana ny Fasisma, mpanohitra ny sosialisma, mpikambana tao amin’ny sekta tsy ara-dalàna, miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.” Halefa any amin’ny faritra andrefan’i Siberia “mandritra ny fotoana tsy voafetra” izy rehetra ireo.

Nalefa sesitany ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 1951. Saika Vavolombelon’i Jehovah daholo anefa izy ireo. I Staline mihitsy no nampanao io sesitany io, izay nomena anarana hoe Opération Nord. Fianakaviana vavolombelona 720 mahery, nisy olona 2 600 teo ho eo, no nalefa tany Tomsk, 4 500 kilaometatra teo ho eo tany amin’ny faritra andrefan’i Siberia.

Nanome toromarika ny manam-pahefana fa tokony homena fotoana ampy ny tsirairay, mba hanangonany ny entany, alohan’ny hitondrana azy ireo any amin’ny fiarandalamby. Tokony “ho voaomana tsara” koa ireo vagao “mba hitondrana olona.” Hafa tanteraka anefa ny zava-nitranga.

Nisy hatramin’ny valo ny miaramila sy manam-pahefana tonga tany an-tranon’ny Vavolombelona, tamin’ny misasakalina. Namoha ilay fianakaviana izy ireo ary nampiseho ilay didy handefasana azy ireo sesitany. Ora vitsivitsy monja no nomen’izy ireo mba hanangonan’ilay fianakaviana izay entana azony entina, alohan’ny hitondrana azy ireo tany amin’ny fiarandalamby.

Vagao fitondrana entana no nasiana azy ireo, fa tsy vagao fitondrana olona. Olona hatramin’ny 40 avy amin’ny sokajin-taona rehetra no nasisika tao amin’ny vagao tsirairay, nandritra ny dia naharitra tapa-bolana. Tsy nisy seza na fitaovana fanafanana tao. Lavaka kely teo an-joron’ilay vagao no mba natao kabine. Tokony ho nandray an-tsoratra ny fananan’ny olona tsirairay ny mpitondra teo an-toerana, talohan’ny nanaovana sesitany ireo rahalahy. Zavatra tsy dia nisy vidiny anefa no nataony lisitra, fa “nanjavona” kosa ireo zava-tsarobidy.

Nihazona ny fifaliany foana anefa ireo rahalahy, na dia teo aza izany tsy rariny sy zava-tsarotra rehetra izany. Rehefa nifanena tokoa mantsy ireo fiarandalamby nitondra ny Vavolombelon’i Jehovah, dia re nireondreona avy tao anaty vagao ny hiran’ilay Fanjakana. Noho izany, dia fantatr’ireo rahalahy tao amin’ny vagao tsirairay fa tsy irery akory izy ireo, fa nisy Vavolombelona an-jato hafa koa natao sesitany niaraka taminy. Nampahery azy ireo ny nahita sy nandre ny namany mbola falifaly foana na dia voasedra aza. Vao mainka izy ireo tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah, na inon-kihatra na inon-kidona.​—Jak. 1:2.

Finoana mendri-kotahafina

Anisan’ireo olona nalefa sesitany tany Siberia i Ivan Mikitkov. Nosamborina teto Moldavia izy sy ireo Vavolombelona hafa tamin’ny 1951, ary avy eo nalefa tany Tomsk. Nasaina nikapa hazo tany amin’ny alan’i Siberia izy. Na dia tsy nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona aza i Ivan, dia voafetra ihany ny toerana azony naleha, sady nanara-maso azy akaiky ny polisy miafina. Nitory foana anefa izy sy ireo rahalahiny ara-panahy isaky ny afaka nanao izany.

Hoy i Ivan: “Nizarazara ho fiangonana maromaro izahay tao anatin’izany toe-piainana sarotra izany. Izahay mihitsy aza no nanamboatra ny boky sy gazety nampiasainay. Nanaiky ny fahamarinana ny sasany tamin’ireo olona nitorianay, ary natao batisa tatỳ aoriana. Voamariky ny manam-pahefana anefa ny asanay rehefa nandeha ny fotoana, ka nalefany tany amin’ny toby fiasana an-terivozona ny sasany taminay.”

“Voaheloka hanao asa an-terivozona nandritra ny 12 taona aho, niaraka tamin’i Pavel Dandara sy Mina Goraş ary Vasile Şarban. Hentitra ny fanaraha-maso tamin’izany. Nihevitra ny manam-pahefana fa hatahotra an’ireny sazy henjana ireny ireo rahalahy, ka tsy hitory intsony. Tsy izany anefa no nitranga. Nitory foana izy ireo, na taiza na taiza nandefasana azy. Nafahana aho tamin’ny 1966, rehefa vita ny saziko. Niverina tany Tomsk aho, ary nijanona tany nandritra ny telo taona.”

“Nifindra tany Donbass aho tamin’ny 1969. Tany no nifankahitanay sy Maria vadiko, izay anabavy nahatoky sady be zotom-po. Nosamborina indray aho tamin’ny 1983. Indroa miantoana ny saziko tamin’io fotoana io: dimy taona tany am-ponja, ary avy eo dimy taona an-tsesitany. Mafy tamiko kokoa noho ny teo aloha ity saziko ity, satria tsy maintsy handao ny vady aman-janako aho, na dia niatrika zava-tsarotra koa aza izy ireo. Soa ihany fa tsy voatery namita an’ilay sazy hatramin’ny farany aho. Nafahana aho tamin’ny 1987, rehefa lasa sekretera jeneralin’ny Antoko Kominista Sovietika i Mikhaïl Gorbatchev. Nahazo niverina tany Ukraine aho, ary afaka nanketo Moldavia tatỳ aoriana.”

“Nisy mpitory 370 sy fiangonana telo teto Bălţi tamin’izaho niverina teto. I Bălţi no tanàna faharoa lehibe indrindra eto Moldavia. Misy mpitory maherin’ny 1 700 sy fiangonana 16 eto izao!”

“Te ho faty ohatra an’i Vasile angaha ianao?”

Nataon’ny mpitantan-draharahan’ny toby sy ny KGB (Komitin’ny Fiarovam-panjakana) foana izay hanerena an’ireo rahalahy hivadika. Nanomana teti-dratsy nampihoron-koditra indray àry izy ireo. Nitantara ny zava-nitranga tamin’i Constantin Şobe, raibeny, i Constantin Ivanovici Şobe. Hoy izy: “Namita ny saziny tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tao amin’ny fivondronan’i Tchita, atsinanan’i Farihin’i Baïkal, any Siberia, i Dadabe tamin’ny 1952. Nilaza ireo tompon’andraikitra fa hotifiriny, hono, izy sy ireo Vavolombelona hafa raha tsy mety miala amin’ny finoany.”

“Tsy nivadika anefa ireo rahalahy, ka novorin’ireo manam-pahefana teo akaikin’ny ala, tany ivelan’ny toby. Efa nihamaizina ny andro tamin’izy ireo naka an’i Vasile, naman’i Dadabe akaiky. Nentin’izy ireo nitsofoka tao anaty ala i Vasile, ary nolazainy fa hotifirina. Nitaintaina ireo rahalahy teo am-piandrasana izay hitranga. Poa-basy roa no injay nanakoako tao anatin’ilay alina mangina.”

“Niverina ny mpiambina ary nentin’izy ireo tany anaty ala koa i Dadabe. Nijanona teo amin’ny toerana malalaka izy ireo, rehefa avy nandeha kelikely. Efa nisy fasana maromaro nohadina teo, ary efa nototofana ny iray. Nanondro an’io fasana io ny komandà, sady niteny tamin’i Dadabe hoe: ‘Te ho faty ohatra an’i Vasile angaha ianao? Tsy aleonao afaka, dia miverina any amin’ny fianakavianao? Manana roa minitra hieritreretana ianao.’ Tsy nila niandry roa minitra akory i Dadabe, fa tonga dia namaly hoe: ‘Efa taona maro no nahafantarako an’i Vasile, ilay notifirinareo. Manantena ny hihaona aminy indray aho ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa hatsangana izy. Azoko antoka fa ho any amin’ny tontolo vaovao miaraka amin’i Vasile aho. Fa ianao io ve mba ho any?’”

“Tsy izany mihitsy no valin-teny nandrasan’ilay komandà. Nentiny niverina tany amin’ny toby i Dadabe sy ireo Vavolombelona hafa. Tsy voatery niandry ny fitsanganana amin’ny maty akory i Dadabe vao nihaona tamin’i Vasile indray. Tetika mahatsiravina natao hanerena an’ireo rahalahy hivadika fotsiny ireny rehetra ireny.”

Tsy nahomby ny lainga naelin’ny Kominista

Nataon’ny Kominista izay hankahalan’ny olona sy hiahiahiany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka namoaka boky sy bokikely ary sarimihetsika nanaratsy ny vahoakan’i Jehovah izy ireo. Nitondra ny lohateny hoe Fanambaniny Roa Sosona ny bokikely iray, izay nampiseho fa nasian’ireo rahalahy fanambaniny roa sosona ny kitapony, mba hanafenany ireo boky sy gazety. Nampiasa an’io bokikely io ny lehiben’ny toby nisy an’i Nicolai Voloşanovschi, mba hanambaniana azy teo anatrehan’ny voafonja hafa.

Hoy i Nicolai: “Novorin’ny lehiben’ny toby tao amin’ny trano iray ny voafonja rehetra. Avy eo dia namaky fehezanteny vitsivitsy avy tao amin’ilay bokikely Fanambaniny Roa Sosona izy, ary natao hanaratsiana ahy manokana ny sasany tamin’izy ireny. Nangataka hametraka fanontaniana taminy aho, rehefa tapitra ny teniny. Nieritreritra angamba ilay komandà fa fomba ahafahany manebaka ahy izany, ka nanaiky izy.”

“Nanontany an’ilay komandà aho, raha tadidiny ny fotoana voalohany nanadinadinany ny momba ahy, tamin’izaho vao niditra tao amin’ilay toby fiasana an-terivozona. Nanaiky izy. Nanontany indray aho avy eo, raha tadidiny ireo fanontaniana napetrany tamiko momba ny toerana nahaterahako, ny tany niaviako sy ny sisa, rehefa nameno ny taratasy momba ahy izy. Mbola nanaiky koa izy. Nolazainy tamin’izay nanatrika teo mihitsy aza ny valin-teniko tamin’izay. Rehefa nasaiko nilaza ny zavatra tena nosoratany tao amin’ilay taratasy anefa izy, dia niaiky fa tsy nifanaraka tamin’ny valin-teniko ny zavatra nosoratany. Nitodika tany amin’ireo voafonja hafa àry aho sady niteny hoe: ‘Hitanareo, zavatra tsy marina toy izany koa no nosoratana ao anatin’io bokikely io.’ Nitehaka ireo voafonja, fa ilay komandà kosa tezitra ka lasa nandeha.”

Zarazarao hanjakana

Nataon’ny fitondrana sovietika foana izay tsy hampiray saina ny vahoakan’i Jehovah. Nitady tetika vaovao indray izy ireo nandritra ireo taona 1960, rehefa tsy nety ny teo aloha. Nohazonina ho tsiambaratelo ny zavatra nataon’ny KGB teo aloha. Voarakitra tao amin’ny arisivam-pirenena anefa izany tatỳ aoriana, ary niresaka ny sasany tamin’izy ireny ny boky Sabatra sy Ampinga, navoaka tamin’ny 1999. Izao no voalaza tao: “Tamin’ny Martsa 1959, dia nivory ny lohandohany tao amin’ny KGB, izay nitarika ‘ny ady natao tamin’ny Jehovista [Vavolombelon’i Jehovah].’ Tapaka tamin’izay fa fampisarahana indray no hanohizana ny fampahoriana natao teo aloha. Nataon’ny KGB àry izay hahatonga ny [Vavolombelona] hisara-tsaina sy ho kivy ary tsy hifampatoky. Nataony koa izay hisamborana ireo filohan’ny Jehovista, tamin’ny alalan’ny fiampangana diso.”

Nampiely lainga tsara lahatra nanerana ny Firaisana Sovietika, ohatra, ny KGB mba hahatonga an’ireo rahalahy tsy hifampatoky. Nolazain’izy ireo fa maromaro tamin’ireo rahalahy nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny fandaminana no nanomboka nifandray tamin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana. Hain’ny KGB tsara ny namboamboatra ny resany, ka maro tamin’ny Vavolombelona no nanomboka nisalasala ny amin’izay olona azony nitokisana.

Anisan’ny tetika hafa nataon’ny KGB koa ny nampiofana Vavolombelona sandoka. Niseho ho “be zotom-po” ireny olona ireny, ary niezaka hahazo andraikitra teo anivon’ny fiangonana. Nampita vaovao tany amin’ny KGB foana anefa izy ireo mazava ho azy. Niresaka mangingina tamin’ireo tena Vavolombelona koa ny KGB, ka nampanantena vola be ho an’izay nanaiky hiara-miasa taminy.

Nampalahelo fa nampisaratsaraka an’ireo rahalahy ireny fitaka ireny, ka niteraka tsy fifampitokisana. Izany no nitranga teto Moldavia. Niala tamin’ny fandaminana ny rahalahy sasany, ary namorona antoko mpanohitra.

‘Ny lalana’ foana hatramin’izay no anarana niantsoan’ireo rahalahy tany amin’ny Firaisana Sovietika ny fandaminan’i Jehovah sy ny sakafo ara-panahy novokariny, ary ireo rahalahy voatendry. Nanjary nisafotofoto anefa ny sain’ireo rahalahy, ka tsy natokisany intsony ilay ‘lalana.’ Ahoana no ahafahan’ireo rahalahy hiala amin’izany fisafotofotoana izany? Ny Fitondrana Sovietika ihany no nanampy azy ireo hamaha ilay olana. Tamin’ny fomba ahoana?

Tsy nahafantatra ny herin’ny fanahy masina izy ireo

Nangonin’ny fitondrana sovietika ireo ‘filohan’ny Vavolombelona’ nanerana ny Firaisana Sovietika, tany am-piandohan’ireo taona 1960. Nalefa tany amin’ny Repoblikan’i Mordovie, faritra andrefan’i Rosia, izy ireo, ary natambatra tao amin’ny toby iray, izay 150 kilaometatra avy eo amin’ny tanànan’i Saransk. Tsy afaka nifampiresaka ireo rahalahy ireo taloha, satria nifanalavitra. Izany koa no nahatonga azy ireo tsy hifankahazo hevitra. Tafaray avokoa anefa izao ireo tao amin’ilay ‘antoko mpanohitra’ sy ireo mbola nijanona tao amin’ny fandaminana. Afaka nifampiresaka tsara àry izy ireo, ary afaka nanavaka ny zavatra tena nisy sy ny lainga. Nahoana tokoa moa ireo mpitondra fanjakana no nanao ireo rahalahy ireo tao amin’ny toerana iray? Noheveriny fa hiady angamba izy ireo, ka vao mainka hihenjana ny tady. Tsy nahomby anefa ilay tetika na dia maty paika aza, satria manana hery hampiray ny olona ny fanahy masin’i Jehovah.​—1 Kor. 14:33.

Iray tamin’ireo rahalahy nogadraina tany Mordovie i Gheorghe Gorobeţ. Hoy izy: “Nampidirina tao amin’ny fonja nisy anay ny rahalahy iray tao amin’ny antoko mpanohitra, taoriana kelin’ny nandefasana ahy tao. Gaga izy rehefa nahita fa mbola nogadraina ihany ireo rahalahy tompon’andraikitra. Nilazana mantsy izy fa afaka madiodio izahay rehetra, sady nomen’ny KGB vola be, ka lasa mpanefohefo!”

Hoy ihany ny Rahalahy Gorobeţ: “Olona 700 mahery no nogadraina noho ny antony ara-pivavahana, nandritra ny taona voalohany nijanonako tao am-ponja. Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireo. Toerana iray no niasanay sy ireo tao amin’ny antoko mpanohitra, ka afaka nifampiresaka tsara izahay. Noho izany, dia betsaka ny zavatra nihanazava nandritra ireo taona 1960 sy 1961. Nanoratra taratasy avy tao amin’ny toby àry ny komity niandraikitra ny asa nanerana ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1962. Voarain’ny fiangonana rehetra nanerana ny Firaisana Sovietika ilay taratasy, ka foana tsikelikely ny voka-dratsin’ny lainga naelin’ny KGB.”

Fantatra ilay tena ‘lalana’

Nafahana tao amin’ny toby fiasana an-terivozona ny Rahalahy Gorobeţ tamin’ny Jona 1964, ary niverina teto Moldavia avy hatrany. Tsikariny rehefa tonga tany Tabani izy, fa mbola tsy fantatry ny Vavolombelona teo an-toerana tsara izay tena ampiasain’i Jehovah, mba hitarika sy hanome sakafo ara-panahy ny vahoakany. Naleon’ny rahalahy sasany namaky Baiboly fotsiny.

Nirahina hanazava ilay raharaha ny komity iray nisy rahalahy matotra telo. Tany avaratr’i Moldavia no nipetraka ny ankamaroan’ny Vavolombelona. Noho izany, dia ny nitsidika ireo fiangonana tany amin’iny faritra iny no anisan’ny nataon’izy ireo voalohany. Tsy nivadika mihitsy ireny rahalahy ireny sy ny mpiandraikitra hafa, na dia mafy aza ny fanenjehana. Olona maro àry no resy lahatra, fa mbola ilay fandaminana nahitan’izy ireo ny fahamarinana tany am-boalohany ihany no ampiasain’i Jehovah.

Niharihary tamin’ny KGB nandritra ireo taona 1960, fa nandroso ihany ny asa fitoriana na dia teo aza ny fanenjehana sy ny tetika hafa. Izao no fihetsiky ny KGB, araka ilay boky Sabatra sy Ampinga: “Sahiran-tsaina ny lohandohany tao amin’ny [KGB] rehefa naharay tatitra nilaza fa ‘tsy niala tamin’ny finoany ny mpitarika sy ny tompon’andraikitra tao amin’ny Jehovista’ na dia tany amin’ny toby fiasana an-terivozona aza, ‘sady mbola manohy ny asany ho an’i Jehovah ihany.’ Nivory tany [Chisinau] ny tompon’andraikitry ny KGB misahana ny raharaha momba ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Novambra 1967. Nandinika fepetra vaovao indray izy ireo ‘mba hanoherana ny asa ratsin’io sekta io’ sy ny ‘fampianarany mifanohitra amin’ny Kominisma.’”

Nampahory ireo rahalahy nivadika

Nampalahelo fa voafandrika tamin’ireny “fepetra vaovao” ireny ny olona sasany, ka nanaiky hampiasain’ny KGB. Resin’ny fitiavan-karena sy ny tahotra olona ny sasany, ary ireo niala tamin’ny fahamarinana kosa nanjary nankahala ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona toy izany no nampiasain’ny mpitondra fanjakana, mba hanerena ireo Vavolombelona mahatoky hivadika. Nisy Vavolombelona efa nigadra sy nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Nilaza anefa izy ireo fa ny fanenjehana nataon’ireo rahalahy nivadi-pinoana no tena nampahory azy indrindra.

Mpikambana tao amin’ilay antoko mpanohitra ny ankamaroan’ireo mpivadi-pinoana ireo. Anisan’ireo niditra tao amin’io antoko io, tany am-boalohany, ireo olona very hevitra tamin’ny lainga naelin’ny KGB. Efa nanana ny toe-tsain’ny mpanompo ratsy fanahy kosa ny sasany tamin’ireo mbola nijanona tao, tamin’ny faramparan’ireo taona 1960. Nanomboka ‘nikapoka ny mpanompo hafa’ izy ireo, fa tsy nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy.​—Matio 24:48, 49.

Tsy nahavita nampizarazara ny vahoakan’Andriamanitra anefa ny KGB sy ireo mpiara-miasa taminy, na dia teo aza ny fanerena sesilany. Nanomboka nanao izay hampiray ny Vavolombelon’i Jehovah teto Moldavia ireo rahalahy nahatoky, tany am-piandohan’ireo taona 1960. Vavolombelona maro no mbola tao amin’ilay antoko mpanohitra tamin’izany fotoana izany. Niverina teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, sady naneho tsy fivadihana, anefa ny ankamaroan’izy ireo, tamin’ny taona 1972.

Mpanohitra tia ny gazetintsika

Nitory araka izay azony natao ireo Vavolombelona nahatoky tafajanona teto Moldavia, nandritra ny fitondrana kominista. Nitory tsy ara-potoana tamin’ny havana, namana, mpiara-mianatra na mpiara-miasa izy ireo. Mailo hatrany izy ireo, satria Kominista nafana fo ny ankamaroan’ny mpitarika ny antoko politika teto Moldavia tamin’izany fotoana izany. Tsy ny Kominista rehetra anefa no nankahala tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy i Simeon Voloşanovschi: “Nisava ny tranonay ny polisy, ary boky sy gazety maro be no nalainy. Noraisin’ny lehiben’izy ireo an-tsoratra avokoa ireo boky sy gazety ireo. Niverina io polisy io taoriana kelin’izay. Nentiny ilay lisitra, ary nasainy nohamariniko raha voasoratra tao avokoa ny anaran’ireo boky sy gazety. Voamariko anefa fa tsy tao ny gazety Tilikambo iray, izay niresaka momba ny fianakaviana sy ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra. Rehefa nanontany momba azy io aho, dia somary sanganehana izy namaly hoe: ‘Nentiko nody ilay izy, dia niarahanay mianakavy namaky.’ Dia nanontany aho hoe: ‘Tianareo ve izay novakinareo tao?’ Hoy izy: ‘Ie, tena tianay mihitsy!’ ”

Nihalefy ny fanenjehana, nandroso ny asa

Tsy nalefan’ny fitondrana kominista sesitany intsony ny vahoakan’i Jehovah, nandritra ireo taona 1970. Nisy ihany aloha rahalahy nosamborina sy notsaraina noho izy ireo nitory na nivory. Maivamaivana kokoa anefa ny sazy nomena azy ireo.

Nanomboka tamin’ny 1972, dia ny anti-panahy rehetra indray no niandraikitra ny fiangonana tsirairay teto Moldavia, toy ny tany an-toeran-kafa. Hoy i Gheorghe Gorobeţ: “Nandray io fandaharana vaovao io tamim-pifaliana ireo rahalahy, ary vao mainka tsapan’izy ireo fa miasa ny fanahin’i Jehovah. Nandroso ara-panahy sady nitombo isa koa ny fiangonana teto Moldavia, rehefa nihamaro ireo rahalahy voatendry.”

Efa za-draharaha tamin’ny fomba fandaminana ny asa fitoriana sy ny fanaovana pirinty miafina ireo rahalahy tamin’izany. Toerana roa teto Moldavia no nanamboarana ireo boky sy gazety, rehefa nanomboka ny fanenjehan’ny Kominista. Natao tamin’ny alina foana izany, nandritra ireo taona maro nahamafy ny fanenjehana. Tsy maintsy nanao asa roa àry ny mpiasa tamin’ireny toerana ireny: Manao ny asa fanao andavanandro toy ny olona rehetra izy ireo mandritra ny andro, fa manao pirinty ny boky sy gazety ilain’ny fiangonana kosa amin’ny alina, ary tsy mijanona raha tsy efa mazava ratsy ny andro.

Niova anefa izany toe-javatra izany rehefa nihena ny fanenjehana sy ny fanaraha-maso. Hain’ireo rahalahy kokoa tamin’izay ny nampiasa ireo milina fanontam-pirinty niafina, ary afaka nanendry mpiasa an-tsitrapo maro kokoa izy ireo mba hanao an’ilay asa. Nitombo ny boky sy gazety novokarina vokatr’izany.

Nanatsara ny fomba fanontam-pirinty koa ireo rahalahy. Nampiasa taratasy modely nomanina tamin’ny milina fanoratana, ohatra, izy ireo. Namboarin’izy ireo koa ilay milina mba hahafahana hanao pirinty indray miaraka ny ambadika sy ambadika. Vao mainka nampitombo be ny zavatra novokarina izany fanatsarana rehetra izany. Efa nivalona ho tantara ny fandikana tamin’ny tanana ireo boky fianarana Baiboly!

Mazava ho azy fa afaka manao fianarana samirery bebe kokoa ireo rahalahy, rehefa nitombo ny boky sy gazety novokarina. Nihatsara koa ny fifandraisana, ka afaka nanazava izay zavatra mbola nampisafotofoto ny hafa ireo rahalahy. Vao fiandohana fotsiny anefa izany, satria mbola betsaka ny fanatsarana tatỳ aoriana.

Niroborobo ny fivavahana marina

Natanjaka ara-politika sy ara-tafika ny Firaisana Sovietika, kanefa tsy afaka nanafoana ny fivavahana marina. Ny sesitany nataon’izy ireo indray aza no nahatonga ny vaovao tsara hiely tany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asa. 1:8) Nampanantena an’i Isaia toy izao i Jehovah: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina . . . Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko.” (Isaia 54:17) Tena tanteraka tokoa izany teny izany!

Vao mainka nanamora ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika ny fiovan’ny fitondrana, tamin’ny 1985. Tsy nanao andry maso azy ireo intsony ny polisy miafina, na nampandoa lamandy rehefa namonjy fivoriana izy ireo. Nizarazara ireo rahalahy teto Moldavia mba tsy hihoatra ny folo rehefa nivory. Nanao fivoriamben’ny faritra kely anefa izy ireo, rehefa nisy fampakaram-bady na fandevenana.

Nandroso be ny asa fitoriana teo antenatenan’ny taona 1989, noho ireo fivoriambe iraisam-pirenena telo natao tany Polonina, tao amin’ny tanànan’i Chorzów (akaikin’i Katowice) sy Poznań ary Varsovie. An-jato ny solontena avy teto Moldavia nanatrika izany fivoriambe izany. Niafina ny Vavolombelona tany Moldavia rehefa nivory, sady nizarazara ho antokon’olom-bitsy. Tena nihetsi-po tokoa àry ireo rahalahy mahatoky tonga tany Polonina, rehefa nidera an’i Jehovah niaraka tamin’ny Vavolombelona falifaly maro be, avy amin’ny firenena maro!

Faly koa ireo rahalahy tamin’ny 1991, satria tamin’izay izy ireo vao afaka nandamina fivoriamben’ny faritra tamin-kalalahana, hatramin’ny nitoriana ny vaovao tsara teto Moldavia. Niavaka koa ny taona 1992, noho ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Saint-Pétersbourg, Rosia. Betsaka kokoa ny solontena avy teto Moldavia tamin’io, raha oharina tamin’ny solontena nanatrika ny fivoriambe telo tany Polonina, tamin’ny 1989. Namoha ny varavaran’ny lanitra tokoa i Jehovah, ary nandrotsaka fitahiana maro ho an’ny mpanompony mahatoky, ka tena velom-pankasitrahana izy ireo.

Fampiofanana ireo mpiandraikitra mpitety faritany

Afaka nifandray akaiky kokoa ny komity niandraikitra ny asa tany amin’ny Firaisana Sovietika sy ny mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa nihanalalaka ny asa. Mpiandraikitra mpitety faritany 60 no niofana tany Lviv, any Ukraine, tamin’ny Desambra 1989. Tena nahafaly sy nampahery tokoa io kilasy io, satria samy efa nampidirina am-ponja, sy nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona, ary niaritra karazana fanenjehana hafa avokoa ny mpanatrika rehetra! Maro tamin’izy ireo aza no lasa mpinamana akaiky, nandritra ireny vanim-potoana sarotra ireny.

Avy teto Moldavia ny efatra tamin’ireo mpiandraikitra ny faritra tao amin’io kilasy io. Rehefa tafaverina izy ireo, dia nampita tamin’ny fiangonana ny torohevitra tsara nomena azy ireo tany Lviv, indrindra teo amin’ny asa fitoriana. Nampirisihin’izy ireo, ohatra, ireo rahalahy mba ho malina foana rehefa nitory, na dia vao nahazo fahalalahana aza. (Matio 10:16) Nahoana izy ireo no tokony ho malina hatrany? Satria mbola tsy nesorina tamin’ny fomba ofisialy ny fandrarana.

Tena nilaina ny Efitrano Fanjakana

Tsapan’ireo rahalahy fa nila toeram-pivoriana izy ireo, hatramin’ny nanombohan’ny asa fitoriana teto Moldavia. Nanorina trano tamin’ny volan’izy ireo manokana ny Mpianatra ny Baiboly tao amin’ny tanànan’i Corjeuţi, tamin’ny 1922. Nantsoina hoe “trano fivoriana” izy io, ary nampiasain’izy ireo nandritra ny taona maro.

Tanàna maro no nisy fiangonana nanana mpitory an-jato tamin’ny faramparan’ireo taona 1980, rehefa nihalefy ny fanenjehana. Nivory tany an-tranon’olona izy ireo, ary nozarazaraina ho antoko maromaro. Tsy izao indrindra àry ve no fotoana tokony hanorenana Efitrano Fanjakana? Nanatona tompon’andraikitra maromaro ireo rahalahy mba hahitana raha azo natao izany na tsia.

Tena nanampy an’ireo rahalahy tokoa ny sasany tamin’ireny tompon’andraikitra ireny. Anisan’izany, ohatra, ny tany Feteşti, tanàna any amin’ny faritra avaratr’i Moldavia, izay nisy mponina 3 150. Nihaona tamin’ny ben’ny tanàna ireo rahalahy teo an-toerana tamin’ny Janoary 1990, ary nolazainy fa afaka miasa amin-kalalahana eo amin’ny tanàna iadidiany izy ireo. Malina ihany anefa ireo rahalahy, fa tsy niantehitra loatra tamin’ilay fanomezan-toky. Ny tranon’ny rahalahy iray àry no nangatahin’izy ireo mba hovana ho Efitrano Fanjakana kely, na dia nisy mpitory 185 aza teo anivon’io fiangonana io!

Nanaiky an’ilay tetik’asa ny ben’ny tanàna, ka nanomboka niasa ireo rahalahy. Tsy ela anefa dia nahita olana goavana izy ireo. Hianjera ny trano iray manontolo raha toa ka hesorin’izy ireo ny rindrina iray saika hanitaran’izy ireo an’ilay trano! Nijanona tampoka àry ilay asa. Inona no hatao? Nanapa-kevitra ny hihaona tamin’ilay ben’ny tanàna indray ireo rahalahy, mba hanazavana an’ilay zava-manahirana. Faly erỳ izy ireo satria navelany hanorina Efitrano Fanjakana vaovao! Nanomboka an’ilay tetik’asa avy hatrany ny fiangonana, ary vita tao anatin’ny 27 andro ilay Efitrano Fanjakana.

Nozaraina roa ny Fiangonan’i Feteşti, mba ho antonona ao anatin’ilay Efitrano Fanjakana vaovao. Betsaka anefa ny mpitory mbola tsy vita batisa. Nahoana àry raha asiana batisa mandritra ny fandaharam-pitokanana? Notanterahin’ireo rahalahy tokoa izany. Rehefa vita àry ny lahatenin’ny batisa, dia nankeny amin’ny renirano tsy lavitra teo ny rehetra, ary olona 80 no naneho ampahibemaso ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah.

Mazava ho azy fa mbola betsaka ny fiangonana nila Efitrano Fanjakana. Nanapa-kevitra ny fiangonana sasany, fa hanorina Efitrano Fanjakana nitovitovy tamin’ireo hitany tao anaty boky na gazety. Nanambatambatra ny volany izy ireo, sady nitady izay fomba rehetra hamitana an’ilay izy, ary nanomboka an’ilay asa. Tsy izy ireo ihany no nanao toy izany. Efitrano Fanjakana 30 no vita teo anelanelan’ny taona 1990 sy 1995. Ezaka manokana nataon’ny rahalahy teo an-toerana avokoa no nahavitana izany.

Nofidina hanaovana fivoriamben’ny faritra ny Efitrano Fanjakana sasany. Be dia be anefa ny mpanatrika, ka maro no voatery nanaraka ilay fandaharana tany an-tokotany. Nanomboka nieritreritra ny hanorina Efitrano Fivoriambe àry ireo rahalahy. Tsy nangataka andro koa izy ireo tamin’izany. Tao anatin’ny telo volana monja dia vita ny Efitrano Fivoriambe voalohany teto Moldavia. Tany Corjeuţi no nanaovana azy io tamin’ny 1992, ary antonona olona 800 ilay efitrano. Nanamboatra Efitrano Fivoriambe tany Feteşti ny Vavolombelona, herintaona taorian’izay. Antonona olona 1 500 izy io, ary mbola ny vola sy ny herim-pon’ireo rahalahy manokana koa no nahavitany izany.

Nety tsara ny fotoana nanaovana ireny fanorenana ireny. Niova mantsy ny fitondrana teo antenatenan’ireo taona 1990, ary nitotongana ny toe-karena, ka nihena be ny sandam-bolan’i Moldavia. Noho izany, ny vola ampy hanorenana ny Efitrano Fanjakana iray manontolo tany am-piandohan’ireo taona 1990, dia tsy nahavidy ireo seza akory, taona vitsivitsy tatỳ aoriana!

Fanorenana Efitrano Fanjakana tany atsimo

Vitsy kokoa ny Efitrano Fanjakanan’ireo fiangonana tany atsimo noho ny tany avaratra. Nandroso be anefa ny asa tany atsimo nandritra ireo taona 1990, ka nanomboka nanahirana an’ireo fiangonana vaovao ny nahita toerana hivoriana. Sekolim-panjakana no nohofana teo aloha, nefa nihasarotra ny fahazoana azy ireny tatỳ aoriana.

Nanampy an’ireo rahalahy tamin’ny alalan’ny fandaminany indray i Jehovah. Namorona ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana ny Filan-kevi-pitantanana, mba hahafahan’ireo fiangonana tsy manam-bola firy hanorina Efitrano Fanjakana.

Nanararaotra an’io fandaharana io ireo rahalahy teto Moldavia. Tsy nisy Efitrano Fanjakana mihitsy, ohatra, tany Chisinau renivohitra, tamin’ny 1999. Efitrano Fanjakana folo anefa no vita tamin’ny Jolay 2002. Fiangonana 30 tamin’ireo 37 teo an-toerana no nampiasa azy ireo, ary mbola nisy telo teo an-dalam-panorenana.

Nekena ho ara-dalàna ny Fikambanana!

Lasa repoblika nahaleo tena i Moldavia tamin’ny 27 Aogositra 1991. Tsy nanan-kery intsony ilay fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria ny fitondrana sovietika no nanao azy iny. Mbola tsy voasoratra ara-panjakana ho anisan’ny fikambanana ara-pivavahana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, izay niisa 4 000 tamin’izany fotoana izany.

Nahazo tari-dalana avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanana ireo rahalahy, ka nanatona ny tompon’andraikitra avy hatrany, ary nangataka ny fanekena ny Fikambanana ho ara-dalàna. Nanaiky an’ilay fangatahana ny mpitondra vaovao. Nitaky fotoana kely fotsiny ny fikarakarana ireo antontan-taratasy nilaina, ary dia voasoratra ara-panjakana ihany ny Fikambanana, tamin’ny 27 Jolay 1994.

Andro nanan-tantara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Moldavia tokoa izy iny! Nahazo nitory sy nanompo an’i Jehovah tamin-kalalahana amin’izay ireo rahalahy, taorian’ny 60 taona nisian’ny fandrarana sy fanenjehana ary fampidirana am-ponja. Nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra koa izy ireo. Natao tao amin’ny kianja lehibe indrindran’i Chisinau àry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany teto Moldavia, tamin’ny Aogositra 1994, iray volana taorian’ny nanoratana ny fikambanana ho ara-dalàna. Tena fotoana nampihetsi-po tokoa izy iny!

Nitarina ny Betela

Nihoatra ny 10 000 ny isan’ny mpitorin’ilay Fanjakana tamin’ny 1995. Ny sampan’i Rosia, tany amin’ny 2 000 kilaometatra, no tena niandraikitra ny asa tamin’ny ankapobeny, na dia nisy birao kely fanampiny aza tao Chisinau. Dimanjato kilaometatra monja avy eto Moldavia anefa ny biraon’ny sampan’i Romania, sady miteny romanianina avokoa ny ankamaroan’ny mponina eto. Ny fiteny romanianina mihitsy aza no fiteny ofisialy. Rehefa nandinika àry ny Filan-kevi-pitantanana, dia nanapa-kevitra fa ny sampan’i Romania no hiandraikitra ny asa eto Moldavia.

Nanomboka tsy araka intsony ny asa tao amin’ilay birao kelin’i Chisinau, rehefa nitohy ny fitomboana. Tsapa àry fa tena nilaina ny hisian’ny fianakavian’ny Betela. Anisan’ireo mpikambana voalohany i Ion sy Iulia Rusu. Mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana ny Rahalahy Rusu tamin’ny 1991 ka hatramin’ny 1994. Anisan’ireo mpikambana tao koa i Gheorghe Gorobeţ. Mpiandraikitra ny vondrom-paritra izy talohan’io fanendrena vaovao io. Tsy nipetraka tao amin’ny Betela anefa izy, fa nody isan-kariva. Tonga tamin’ny 1 Mey 1996 i Guenther sy Rosaria Matzura, rehefa avy nanompo tany Romania nandritra ny taona maro. Nahazo diplaoman’i Gileada, kilasy faha-67 izy mivady.

Nila nampitomboina ny mpiasan’ny Betela, satria nitombo hatrany ny isan’ny mpitory. Voafetra anefa ny toerana, sady trano dimy any amin’ny toerana samy hafa no nipetrahan’ny Betelita, tamin’ny 1998! Nanomboka nitady toerana azo anorenana tranon’ny Betela àry ireo rahalahy. Nanome tany 3 000 metatra tora-droa ny mpitondra tany Chisinau, ary tao afovoan’ilay renivohitra no nisy azy io. Tena velom-pankasitrahana tokoa ireo rahalahy noho izany. Novidin’izy ireo koa ilay toerana teo akaiky teo, mba hitsinjovana ny fitomboana ho avy.

Kompania teo an-toerana no nasaina nanangana ny trano, fa mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy teo an-toerana, no nanao ny ambiny. Nanomboka tamin’ny Septambra 1998 ny asa fanorenana. Vita ilay izy, herintaona sy roa volana monja taorian’izay, ary nientam-po erỳ ny mpianakavin’ny Betela rehefa nifindra tao amin’ilay tranony vaovao. Faly tokoa izy ireo, satria afaka niara-nipetraka tao amin’ny trano iray ihany tamin’ny farany.

Notokanana tamin’ny 16 Septambra 2000 ilay tranon’ny Betela vaovao. Vahiny avy tamin’ny firenena 11 no nasaina. Nanao lahateny tao amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena teo an-toerana i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny ampitson’io. Maherin’ny 10 000 ny mpanatrika tamin’izay. Tsapan’ny mpanatrika rehetra fa tena mampiray ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany ny fitiavana.

Misy 26 izao ny mpianakavin’ny Betela eto Moldavia. Betelita manompo ivelan’ny taniny ny sasany, toa an’i David sy Miriam Grozescu. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany amin’ny tany niaviany kosa ny hafa, toa an’i Enno Schlenzig, ary voatendry hanompo teto Moldavia. Na dia vitsy aza ny mpianakavin’ny Betela, dia ahitana mpikambana avy amin’ny firenena maro.

Nampiofanina ny mpitory

Nitandrina fatratra ny vahoakan’i Jehovah teto Moldavia rehefa nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa, nandritra ireo taona maro nisian’ny fandrarana sy fanenjehana. Mazava ho azy fa fitoriana tsy ara-potoana foana no nataon’izy ireo. Tonga anefa ny fotoana tokony handraisan’izy ireo anjara amin’ny fitoriana isan-trano sy ny fitoriana eny an-dalana. Nanao araka izay azony natao tamin’izany lafim-panompoana izany tokoa ireo rahalahy. Nanjary be mpitia manokana ny fitoriana eny an-dalana. Nilaina anefa ny nandanjalanja rehefa nitombo ny isan’ny mpitory. Nampirisihina hifantoka bebe kokoa amin’ny fitoriana isan-trano ny fiangonana, ary nanaraka izany an-tsakany sy an-davany izy ireo.

Tamin’izay vao tena tsapan’ny mpitory fa mosarena ara-panahy ny mpiara-belona taminy. Nanome fahafaham-po azy ireo àry ny fandaminan’i Jehovah, ka natao tamin’ny fiteny romanianina sy rosianina ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ny boky fianarana Baiboly hafa. Niezaka nanatsara ny fanompoany ny mpitory, ka nanaraka ireo fomba fampiseho anoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Nampihariny koa ireo fampiofanana tsara omena mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana.

Nisy rahalahy matotra sy za-draharaha avy tany amin’ny firenen-kafa koa nanome fanampiana teo amin’ny fomba fandaminan-javatra. Tena nanohana sy nampiorina ny fiangonana tokoa ireny rahalahy ampy fahaizana sy vonon-kanampy ireny.

Fitomboana haingana

Nitombo be ny isan’ny mpanompon’i Jehovah teto Moldavia, ary tena niavaka izany fitomboana izany tao Chisinau renivohitra, izay misy mponina 662 000. Fiangonana roa monja sy mpitory 350 no nisy tao Chisinau tamin’ny Janoary 1991, talohan’ny nanekena ny Fikambanana ho ara-dalàna. Lasa fiangonana 37 misy mpitory 3 870 mahery anefa izany, tamin’ny Janoary 2003! Mpianatra Baiboly 101 no lasa mpitory tao amin’ny fiangonana anankiray, tao anatin’ny sivy volana monja! Ao anatin’ny roa taona eo ho eo dia efa mizara ny fiangonana, noho izany fitomboana haingana izany.

Nisy 6 551 ny isan’ny mpitory nanerana an’i Moldavia tamin’ny Aogositra 1993. Nitombo ho 18 425 anefa izany tamin’ny Martsa 2002, izany hoe nisy fitomboana 280 isan-jato tao anatin’ny sivy taona! Nitombo koa ny isan’ny mpisava lalana, ka raha 28 izy ireo tamin’ny 1993, dia lasa 1 232 tamin’ny 2002.

Ben’ny tanàna lefitra lasa mpisava lalana

Maro tamin’ireo Kominista koa no nanjary nahafantatra an’i Jehovah. Nanana andraikitra ara-politika mihitsy aza ny sasany, toa an’i Valeriu Mârza. Izy no ben’ny tanana lefitra tao Soroca, izay nisy mponina 39 000 teo ho eo. Niara-nipetraka tamin’ny manam-pahefana i Valeriu rehefa nisy fety tao an-tanàna, ary anisan’ireo noarahabain’ny mpanao matso izy. Nahafantatra azy tsara àry ny olona tao an-tanàna.

Nanomboka nianatra Baiboly anefa i Valeriu tatỳ aoriana, ary natao batisa. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona rehefa nitory tamin’izy ireo izy? “Saika nampandroso ahy avokoa ny olona”, hoy ny Rahalahy Mârza. “Afaka nitory tamin’ny olona maro aho, ary hitanay mivady fa tena faritany nahavokatra ny tanàna nisy anay!” Tsy ela dia voatendry ho mpisava lalana manokana ny Rahalahy Mârza. Nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny herintaona koa izy mivady. Manao ny asan’ny faritra izy ireo ankehitriny.

Fanampian’ny mpisava lalana

I Moldavia no anisan’ny manana salanisan’ny mpitory be indrindra raha ampitahaina amin’ny isan’ny mponina, eto Eoropa. Mbola betsaka anefa ny tanàna kely tsy misy Vavolombelona. Tsy afaka manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa ny ankamaroan’ny mpitory sy ny mpisava lalana noho ny fahasahiranana ara-bola. Nanendry mpisava lalana manokana 50 teo ho eo àry ny sampan’i Romania, mba handrenesan’ny mponina rehetra ao amin’io tany io ny vaovao tsara. Maherin’ny 20 amin’izy ireo no efa nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, izay natao tany Romania sy Rosia ary Ukraine.

Nahita vokatra tsara ireo mpitory ny vaovao tsara be zotom-po ireo. Notendrena ho mpisava lalana manokana tany Căuşeni, ohatra, i Serghei sy Oxana Zighel, tamin’ny 1995. Tsy nisy afa-tsy mpitory 15 tany tamin’izay. Nanampy azy ireo hanomboka fampianarana Baiboly maro be izy mivady. Nanana toe-tsaina falifaly koa izy ireo, hany ka maro koa no nirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro. Misy fiangonana roa sy mpitory 155 any Căuşeni, ankehitriny. Avo folo heny ny fitomboana tao anatin’ny fito taona monja! Nanao ny asan’ny faritra izy mivady tatỳ aoriana, ka afaka nanampy fiangonana maro kokoa.

Zava-manahirana hafa

Ahitana zava-manahirana foana rehefa fitondram-panjakan’olombelona. Na ny fitondran’olon-tokana romanianina, na ny fitondrana jadona fasista, na ny fitondrana kominista, dia samy nahitan’ny Vavolombelona zava-manahirana avokoa. Notoherin’ny mpitondra fivavahana izy ireo, norarana, nenjehina, ary nalefa sesitany. Tsy maintsy miatrika olana ara-toe-karena toy ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, hany ka mety ho samy voatery hiasa ny mpivady. Tsy mahita asa mihitsy aza ny olona sasany.

Mitombo koa ny heloka bevava sy ny tsolotra, ary manjary tia harena sy miharatsy fitondran-tena ny olona. Mety hanimba tsikelikely ny ara-panahin’ny vahoakan’i Jehovah ny zava-manahirana toy izany. Afaka mivoaka ho mpandresy ve izy ireo? Eny tokoa! Hitan’izy ireo fa tsy mandao ny mpanompony mahatoky i Jehovah, raha mangataka fanampiana aminy izy ireo rehefa tojo fisedrana na fakam-panahy.​—2 Tim. 3:1-5; Jak. 1:2-4.

Mampahatsiahy antsika ireo karazana asa fijinjana roa resahin’ny Apokalypsy toko faha-14 ny zava-misy ankehitriny. Hangonina aloha ireo vokatra ratsy, na ‘voaloboky ny tany’, izay mitombo be tokoa amin’izao andro farany izao, araka ny efa nambara mialoha. (Apok. 14:17-20; Sal. 92:7) Tsy ho ela dia hongotana hatramin’ny fakany miaraka amin’ny voa ratsiny io ‘voaloboka’ io, ary ‘hatsipy mafy ao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.’ Tena miandrandra izany fotoana izany mihitsy ny mpanompon’i Jehovah!

Faly koa ny voahosotra sy ireo namany noho izy ireo nahazo fitahiana ara-panahy. Eny, ho tondraka foana ny sakafo ara-panahy mahavelona vokarin’ilay ‘tanimboaloboka ahazoana divay maherin’i Jehovah’, ka maro ny olona toy ny ondry ho voatarika hanatona azy io. Nahoana no matoky an’izany ny vahoakan’Andriamanitra? Satria i Jehovah mihitsy no mpiaro ny tanimboalobony. (Isaia 27:2-4) Izany tokoa no nitranga teto Moldavia! Niaritra ny mangidy ny vahoakan’i Jehovah noho ireo tetika maro nampiasain’i Satana, toy ny fanenjehana, fandefasana sesitany, fanelezana lainga, na rahalahy sandoka. Tsy resy mihitsy anefa izy ireo teo amin’ny ara-panahy.​—Isaia 54:17.

Eny, “sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’i Jehovah an’ireo tia azy mandrakariva.” (Jak. 1:12) Aoka àry ianao hitadidy foana ireo teny ireo. Ary enga anie ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Moldavia ka hanosika anao ‘ho tia an’i Jehovah mandrakariva’ sy ‘hiaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana’ ary ‘hamoa be hatrany.’​—Jaona 15:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ilay anarana hoe Moldavia no ampiasaina, raha toa ka tsy voatery ampiasaina ny hoe Bessarabie sy Moldova. Tsy mitovy amin’ny haben’i Moldavia ankehitriny anefa ny haben’i Bessarabie sy Moldova fahiny. Any Ukraine izao ny tapany tamin’i Bessarabie, ary any Romania ny tapany tamin’i Moldova.

[Efajoro/Sary, pejy 71]

Mpamatsy Divay ho An’i Rosia sy Eoropa Atsinanana

Lava ny fizaran-taona mafana eto Moldavia, ary lonaka ny tany, ka mety tsara ho an’ny fambolena voaloboka. Efa hatramin’ny taona maro io tany io no namokatra divay. Nitombo ny famokarana divay, rehefa nifampiraharaha tamin’ny Grika ny mponina teto tamin’ny taonjato fahatelo T.K., ary tamin’ny Romanina tamin’ny taonjato faharoa A.K.

Andry iankinan’ny fambolena eto Moldavia ny famokarana divay, ankehitriny. Mamokatra divay hatramin’ny 140 000 000 litatra isan-taona ireo orinasa 130 eto an-toerana. Efa ho ny 90 isan-jaton’ny divay no aondrana any ivelany, ka ny 80 isan-jato any Rosia, ary ny 7 isan-jato any Ukraine.

[Efajoro, pejy 72]

Indray Mitopy Maso An’i Moldavia

Ilay tany: Rakotra ala ny faritra afovoany sy ny tapany avaratr’i Moldavia, sady ahitana tany lonaka sy lemaka feno ahitra. Lemaka feno voly kosa no fahita any amin’ny tapany atsimo.

Mponina: Foko avy eto Moldavia ny androatokon’ny mponina. Rosianina kosa ny ankamaroan’ny sisa, manaraka azy ny Ukrainiens, Gagaouzes, Boligara ary ny Jiosy. Ortodoksa ny ankamaroan’ny mponina eto.

Fiteny: Ny fiteny romanianina no fiteny ofisialy. Betsaka koa ny olona mahay fiteny rosianina, indrindra ny any an-drenivohitra. Fahita àry ny olona mahay ireo fiteny roa ireo.

Fivelomana: Ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanodinana sakafo no andry iankinan’ny toe-karena. Efa mihamandroso koa izao ireo orinasa isan-karazany.

Sakafo: Anisan’ny vokarina eto ny voaloboka, varimbazaha, katsaka, betiravy fanaovana siramamy, ary tanamasoandro. Ny omby sy ny kisoa ary ny ombivavy be ronono no tena be mpiompy.

Toetrandro: Efatra degre ambanin’ny zero eo ho eo ny mari-pana amin’ny Janoary, ary mahatratra 21 degre kosa amin’ny Jolay. Antonony ny toetrandro amin’ny ankapobeny, ary tsy dia mangatsiaka amin’ny ririnina. Mahatratra 50 santimetatra eo ho eo ny rotsakorana mandritra ny taona.

[Efajoro, pejy 83-85]

Kristianina Tsy Nivadika

George Vacarciuc: Notezaina tao amin’ny fahamarinana ny Rahalahy Vacarciuc. Nantsoin’ny Fasista hanao miaramila izy, tamin’ny Desambra 1942. Tsy nety nandray fitaovam-piadiana anefa izy, ka nohidiana tao amin’ny efitra figadrana maizina be nandritra ny 16 andro, ary zara raha nomena sakafo. Nantsoin’ny manam-pahefana indray izy, ary nolazain’izy ireo fa raha manaiky handray fitaovam-piadiana izy, dia hofoanana ny saziny. Mbola tsy nolazaina taminy ilay sazy, nefa nanda avy hatrany izy.

Nomelohina 25 taona an-tranomaizina i George noho izany. Nafahana izy tamin’ny 25 Septambra 1944, rehefa tonga ny tafika sovietika. Noteren’ny Sovietika hanao miaramila izy, roa volana latsaka taorian’izay. Tsy nety anefa izy noho ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Nosazina hanao asa an-terivozona mandritra ny folo taona tany amin’ny toby maro samihafa izy. Tsy nahalala izay toerana nisy azy ny fianakaviany tao anatin’ny herintaona. Nafahana ny Rahalahy Vacarciuc tamin’ny 5 Desambra 1949, rehefa avy niasa an-terivozona nandritra ny dimy taona. Nody tany Corjeuţi izy, ary nahatoky mandra-pahafatiny tamin’ny 12 Martsa 1980.

Parfin Goreacioc: Teraka tamin’ny 1900 ny Rahalahy Goreacioc. Nanomboka nianatra Baiboly tao amin’ny tanànan’i Hlina izy, tamin’ny 1925, ary natao batisa tamin’ny 1927. Niara-nianatra Baiboly tamin’i Damian sy Alexandru Roşu, Mpianatra Baiboly voalohany tao amin’ilay tanàna, izy sy Nicolae ary Ion rahalahiny.

Nosamborina i Parfin sy ny Vavolombelona hafa, tamin’ny 1933, ary nentina tany Khotin. Nanaovana famotorana izy, ary nasaina nandoa lamandy noho ny fitoriana nataony. Ny pretra teo an-toerana no nahatonga an’i Parfin nentina tany amin’ny paositry ny polisy tany Ghilavăţ, tamin’ny 1939. Nasain’ny polisy nihohoka teo amin’ny farafara tsy nisy kidoro izy, ka nofatorany teo, ary nokapohiny imbetsaka ny faladiany.

Nosamborina indray i Parfin ary nampidirina am-ponja, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Fasista. Nafahan’ny Sovietika izy tamin’io taona io, nefa nosamboriny indray rehefa tsy nety nanao miaramila. Notazonin’izy ireo tany amin’ny fonjan’i Chisinau izy nandritra ny volana maromaro, ary nafahany avy eo.

Nosamborin’ny fitondrana sovietika indray i Parfin tamin’ny 1947, ary nosaziny valo taona an-tsesitany, noho izy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Nalefa sesitany tany Siberia ny zanany tamin’ny 1951. Tsy tafaraka tamin-drainy anefa izy ireo. Tsy nahita azy intsony izy ireo, raha ny marina. Narary mafy i Parfin tany an-tsesitany, ary maty nahatoky tamin’ny 1953.

Vasile Pădureţ: Teraka tany Corjeuţi ny Rahalahy Pădureţ, tamin’ny 1920. Nahita ny fahamarinana izy tamin’ny 1941, nandritra ny fitondrana fasista. Samy nampijaly azy koa na ny Fasista, na ny Sovietika. Izao no nolazainy tamin’ny mpitondra sovietika: “Tsy nitifitra ny Kominista aho, ary tsy hamono ny Fasista.”

Nosazina hanao asa an-terivozona nandritra ny folo taona tany amin’ny toby sovietika i Vasile, noho izy nanaraka ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Nahena ho dimy taona anefa izany, ary nody izy tamin’ny 5 Aogositra 1949. Nanomboka ny Opération Nord tamin’izy nosamborina fanintelony. Nalefa tamin’ny vagao nankany Siberia i Vasile sy ny fianakaviany, tamin’ny 1 Aprily 1951. Navela hody tany Corjeuţi, Moldavia, izy ireo rehefa afaka dimy taona. Maty nahatoky i Vasile tamin’ny 6 Jolay 2002, raha mbola nomanina ity fitantarana ity.

[Efajoro/Sary, pejy 89]

“Tsy Misy Hatakaloko ny Fanompoako”

Ion Sava Ursoi

Teraka: 1920

Batisa: 1943

Mombamomba Azy: Mpiandraikitra ny faritra nandritra ny fitondrana kominista.

Teraka tany Caracuşeni, eto Moldavia, aho ary nahita ny fahamarinana talohan’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II. Maty tamin’ny 1942 ny vadiko. Nenjehin’ny vahoaka romotra aho tamin’ny fandevenana, noho izaho niova fivavahana. Nanery ahy hanao miaramila ny fitondrana fasista, taoriana kelin’izay. Nanda aho satria tsy te homba ny atsy na ny aroa. Nomelohina ho faty aho noho izany. Novana ho 25 taona an-tranomaizina anefa ny saziko tatỳ aoriana. Nafindrafindra toby aho. Tonga ny tafika sovietika, tamin’izaho tany amin’ny fonjan’i Craiova, any Romania, ary nafahana izahay.

Vao avy nafahana anefa aho, dia efa nampidirin’ny Kominista am-ponja indray. Nalefan’izy ireo tany Kalinine, any Rosia, aho. Navelan’izy ireo hody aho rehefa afaka roa taona, tamin’ny 1946. Nanampy ireo mpitory aho mba hanohy indray ny asa fitoriana. Nosamborin’ny Sovietika indray aho, tamin’ny 1951. Nalefan’izy ireo sesitany tany Siberia niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa aho, ary tamin’ny 1969 vao nody.

Rehefa mandinika ny lasa aho, dia tsaroako ireo fotoana nanatanjahan’i Jehovah ahy tsy hivadika. Tsy misy hatakaloko ny fanompoako ny Mpamorona mihitsy, eto amin’ity tontolo ity. Efa antitra aho izao sady farofy, ka voafetra ny zavatra vitako. Manatanjaka ahy anefa ny fanantenana azo antoka momba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao, izay hahazoako ny tanjaky ny fahatanorana indray. Manampy ahy koa izany mba tsy “ho kivy rehefa manao ny tsara.”​—Gal. 6:9.

[Efajoro/Sary, pejy 100-102]

Maro ny Zavatra Tiako Hohiraina

Alexandra Cordon

Teraka: 1929

Batisa: 1957

Mombamomba Azy: Nijaly nandritra ny fitondrana sovietika ary mbola mpitory ankehitriny.

Tia mihira aho, ka izany no nanampy ahy hahita ny fahamarinana, sady nanampy ahy hatanjaka ara-panahy hatrany nandritra ny fisedrana. Tafaraka tamin’ny antokona tanora teto Corjeuţi aho nandritra ireo taona 1940. Tia mihira ny hiran’ilay Fanjakana sy miresadresaka momba ny Baiboly izy ireo, rehefa miala voly. Nisy heriny lehibe tamiko ny fahamarinana ara-baiboly nianarako tamin’ireny resadresaka sy hira ireny.

Tsy ela dia lasa mpitory ny vaovao tsara aho. Nosamborina niaraka tamin’ny Vavolombelona folo hafa aho, tamin’ny 1953. Nampidirina tao amin’ny fonjan’i Chisinau aho mandra-pahavitan’ny fitsarana ahy. Nihira ny hiran’ilay Fanjakana aho mba hananako tanjaka ara-panahy hatrany. Nahatezitra ny iray tamin’ny mpiambina an’ilay fonja izany, ka hoy izy: “Fonja ity fa tsy toerana fihirana!”

Namaly aho hoe: “Nihira foana aho hatramin’izay, koa nahoana aho izao no hijanona tsy hihira? Afaka managadra ahy ianareo, fa tsy afaka manakombona ny vavako. Maro ny zavatra tiako hohiraina, satria tia an’i Jehovah aho, sady afaka mamoaka izay ato am-poko.”

Voaheloka hiasa an-terivozona nandritra ny 25 taona aho, ary nalefa tany amin’ny tobin’i Inta, akaikin’ny Faribolan-tendrontany Arktika. Nisy ala teo akaikin’ilay toby, ary tao izahay sy ireo Vavolombelona hafa no niasa nandritra ny vanin-taona mafana. Maro tamin’ny hiran’ilay Fanjakana no hainay tsianjery. Nampahery anay àry ny nihira azy ireny, sady nanampy anay hahatsapa fa afaka izahay eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nampirisika anay hihira koa ny mpiambina anay tany, fa tsy mba toy ilay tany Chisinau.

Nijanona tao amin’ny tobin’i Inta nandritra ny telo taona sy telo volana ary telo andro aho. Nisy famotsoran-keloka taorian’izay ary nafahana aho. Mbola tsy nahazo nody teto Moldavia aho, ka nankany Tomsk, any Rosia. Tafaraka indray izahay mivady, satria efa nampidirina am-ponja koa izy. Efa tsy nifankahita nandritra ny efa-taona izahay.

Noho izaho nosamborina, dia mbola tsy naneho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa aho. Nanontany an’ireo anadahy tany Tomsk àry aho, raha azo natao batisa. Maromaro ny olona naniry hatao batisa, ka nanao fandaharana avy hatrany ireo anadahy. Voarara anefa ny asa, ka nanapa-kevitra izy ireo fa hatao amin’ny alina ilay batisa, ao amin’ny farihy iray any anaty ala.

Nifanao fotoana tany ivelan’ny tanànan’i Tomsk izahay, ary nandeha tsiroaroa nankany anaty ala avy eo, mba tsy hiteraka ahiahy. Nasaina nanaraka izay olona roa teo alohanay fotsiny izahay, mandra-pahatongan’ny rehetra tany amin’ilay farihy. Diso lalana anefa ireo rahavavy be taona roa teo alohanay. Izahay sy ireo tao aorianay koa moa nanaraka izay lalana nalehan’izy ireo fotsiny. Tsy ela dia very tao anatin’ny haizina ny folo taminay. Nangovitra izahay, satria kotsan’ny ranon’ando avy tamin’ireo lobolobo. Natahotra ny hifanena tamin’ny orsa sy amboadia koa izahay, satria malaza ho be azy ireny io toerana io. Nitaintaina loatra izahay, ka raha vao nandre feo hafahafa fotsiny dia efa an-tenda ny ainay.

Tsapako fa tsy tokony hivadi-po na hanary toky izahay. Nilazako àry izy ireo hoe, aleo samy tsy mihetsika amin’ny toerany, fa hisioka hiran’ilay Fanjakana iray. Mety handre anay mantsy ny hafa amin’izay. Nivavaka mafy koa izahay. Alao sary an-tsaina àry ny fifalianay, rehefa nandre olona nisioka ilay hira nataonay! Tena nandre anay tokoa ireo anadahy! Nandrehitra jiro haingana izy ireo mba hahitanay ny lalana. Tsy ela taorian’izay dia naroboka tao anaty rano mamanala be izahay. Faly loatra anefa izahay, ka tsy dia nandre hatsiaka firy.

Efa 74 taona aho izao, ary tafaverina eto Corjeuţi, toerana nahitako ny fahamarinana. Efa be taona aho, nefa mbola betsaka foana ny zavatra tiako hohiraina, indrindra ho fiderana an’ilay Raintsika any an-danitra.

[Efajoro/Sary, pejy 104-106]

Nanaraka ny Ohatry ny Ray Aman-dreniko Aho

Vasile Ursu

Teraka: 1927

Batisa: 1941

Mombamomba Azy: Mpikarakara ny fiangonana sady niasa tao amin’ny fanontam-pirinty niafina.

Vita batisa tamin’ny 1929 i Simeon sy Maria Ursu, ray aman-dreniko. Niteraka dimy mianadahy izy ireo, ary izaho no lahimatoa. Nosamborina i Dada sy Neny nandritra ny fitondrana fasista, ary nasaina nanao asa an-terivozona nandritra ny 25 taona, noho ny finoany. Ireo rahalahy sy anabavy kristianina tao amin’ny fiangonan’i Corjeuţi, akaikin’ny toerana nisy anay, no nikarakara anay sy ny biby fiompinay ary ny volinay. Nanana sakafo ampy foana àry izahay. Nanampy tamin’ny fikarakarana anay koa ny renibenay izay efa be taona, saingy tsy Vavolombelona. Vao 14 taona aho tamin’izay.

Nanaraka ny ohatry ny ray aman-dreniko aho, ka niezaka mafy mba hitaiza ireo zandriko teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nofohaziko maraina be izy ireo isan’andro, mba hiara-midinika tapany kely avy tamin’ireo boky ara-baiboly. Kamo hifoha izy ireo indraindray, fa notereko ihany. Tsapako fa zava-dehibe ny fahazarana mianatra. Nafahana i Dada sy Neny na dia mbola tsy vita aza ny saziny, ka niverina nody tamin’ny 1944. Faly erỳ izy ireo rehefa nahita fa tena salama ara-panahy izahay. Faly koa izahay mianakavy fa tafaray indray! Tsy naharitra ela anefa izany.

Nosamborin’ny Sovietika i Dada, herintaona taorian’izay, ary nogadrainy tany Norilsk, Siberia, any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika. Nanambady an’i Emilia aho, telo taona taorian’izay. Zazavavy sariaka izy sady tia zavatra ara-panahy. Zaza niara-nitombo izahay, ka fantatro tsara izy. Herintaona monja taorian’ny mariazinay anefa, dia nosamborina izahay sy Neny. Nalefa tany Chisinau izahay mianaka, ary nasaina nanao asa an-terivozona nandritra ny 25 taona. I Emilia no nikarakara tamim-pitiavana an’ireo zandriko, izay sady tsy teo anilan’ny rainy sy ny reniny no tsy teo anilan’ny zokiny lahimatoa.

Nalefa tany amin’ny toeram-pitrandrahana arintany tany Vorkouta aho tatỳ aoriana. Tany avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika no nisy azy io. Nalaza ratsy mihitsy io toerana fanaovana asa an-terivozona io. Nalefa sesitany tany Tomsk, tany amin’ny faritra andrefan’i Siberia, koa i Emilia sy ny rahalahiko telo ary ny anabaviko, roa taona taorian’izay, tamin’ny 1951. Nangataka ny hafindra tany Vorkouta i Emilia tamin’ny 1955, satria te hiara-mipetraka tamiko izy. Telo ny zanakay, ka tany Vorkouta no teraka i Tamara, vavimatoanay.

Nisy famotsoran-keloka tamin’ny Septambra 1957, ka nafahana izahay. Mbola nosamborina indray anefa aho iray volana taorian’izay. Voasazy hiasa an-terivozona nandritra ny fito taona aho, ary nalefa tany amin’ny tobin’i Mordovie, akaikin’i Saransk, any Rosia. Maro koa ireo rahalahy nogadraina tany, ary mbola maro no tonga tatỳ aoriana. Nitondra boky sy gazety an-tsokosoko ny vadinay, rehefa nitsidika anay. Nahazo azy ireny tsy tapaka izahay, ka tena nankasitrahanay izany. Nifindra tany Kourgan, tany amin’ny faritra andrefan’i Siberia, i Emilia tamin’ny Desambra 1957, mba hitaiza an’i Tamara zanakay vavy. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-drenin’i Emilia mantsy i Tamara. Noho izany, dia nisara-toerana nandritra ny fito taona izahay mivady. Tsy maintsy nanao an’izany anefa izahay, raha tsy tianay halefa tany amin’ny toerana fitaizana ankizy i Tamara.

Nafahana aho tamin’ny 1964, nefa tsy navela hiverina teto Moldavia. Na dia voafetra aza ny toerana azoko naleha, dia afaka niara-nipetraka tamin’ny vady aman-janako tany Kourgan aho, ary lasa mpitarika fianarana boky teo anivon’ny fiangonana. Nifindra tany Krasnodar, any Caucase, izahay tamin’ny 1969. Nanompo tany nandritra ny valo taona izahay, ary avy eo nifindra tany Tchirtchik, Ouzbékistan. Niasa tao amin’ny fanontam-pirinty niafina aho, rehefa tonga tany. Nahazo niverina teto Moldavia ihany izahay tamin’ny 1984. Nipetraka teto Tighina izahay. Nisy mponina 160 000 io tanàna io tamin’izany, ary mpitory 18. Nitombo io antoko-mpitory io tao anatin’ireo taona maro lasa. Misy fiangonana sivy eto izao, ary efa ho 1 000 ny mpitory sy mpisava lalana.

Tsy nanenenako mihitsy ny nanao asa an-terivozona nandritra ny taona maro, noho ny finoako. Natao batisa aho tamin’izaho 14 taona, ary tamin’izany no efa nazava tsara tamiko fa tsy maintsy misafidy isika, na ho tia an’Andriamanitra, na izao tontolo izao! Tsy nieritreritra ny hivadika mihitsy aho, rehefa nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah.​—Jak. 4:4.

[Sary]

Havia: Vasile Ursu

Farany havia: Vasile sy Emilia vadiny ary Tamara zanany

[Efajoro/Sary, pejy 108-110]

Nanohina ny Foko Ilay Zazalahy Kely Nitondra Voninkazo

Valentina Cojocaru

Teraka: 1952

Batisa: 1997

Mombamomba Azy: Mpampianatra nandritra ny fitondrana sovietika, sady nampianatra ny ankizy tsy hino an’Andriamanitra.

Mpampianatra tao amin’ny akanin-jaza tany Feteşti, any Moldavia, aho tamin’ny 1978. Tsy nino an’Andriamanitra koa aho tamin’izany. Noresahina tao amin’ny fivorian’ny mpampianatra, fa tokony hataonay izay hahatonga ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah tsy hino an’Andriamanitra. Tena tiako ilay soso-kevitra, ka nanomboka nisaintsaina izay fomba hanohinako ny fon’ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah aho. Nihevitra àry aho indray andro, fa nahita hevitra tsara.

Nasaiko nanamboatra zaridaina roa ny mpianatra iray kilasy. Nasaiko namboly voninkazo teo amin’ny anankiray izy ireo, ka sady nanondraka no niava azy io. Tsy navelako hikasika ilay zaridaina iray hafa anefa izy ireo. Nilazako ny mpianatra, fa an’Andriamanitra io, ka aleo izy ihany no hikarakara azy. Tian’ireo mpianatra erỳ ilay izy. Namboly voninkazo teo amin’ny tanimboliny tokoa ireo mpianatra, ary nanondraka sy niava izany. Mazava ho azy anefa fa rakotra bozaka ilay “zaridaina kelin’Andriamanitra.”

Indray andro, raha iny nibaliaka tsara iny ny masoandro, dia novoriko teo anoloan’ireo zaridaina roa ny mpianatra iray kilasy. Nidera azy ireo aloha aho tamin’ny ezaka tsara nataony. Avy eo dia nilaza ilay hevitra efa nomaniko aho. Nanontany aho hoe: “Voamarikareo ve fa tsy nanao na inona na inona teo amin’ny zaridainany Andriamanitra?” Hoy indray aho: “Tsy hitanareo avy amin’izany ve fa tsy misy tompony io zaridaina io?”

Niaiky ireo mpianatra fa ohatra an’ireny tsy nisy tompony ireny tokoa ilay izy. Nilaza ny hevi-dehibe tiako hampitaina àry aho hoe: “Hitanareo avy amin’io zaridaina io, rankizy, fa tsy tena misy Andriamanitra fa noforonin’ny sain’ny olona fotsiny. Koa raha Andriamanitra tsy tena misy ve ho afaka hikarakara voninkazo na zavatra hafa?”

Nojereko tsara ny fihetsik’ireo ankizy rehefa niteny aho. Voamariko fa nanomboka tsy nahazo aina ny ankizilahy kely iray, zanaka Vavolombelona. Tsy naharitra izy tamin’ny farany, fa lasa nihazakazaka nankeny amin’ny saha iray teo akaiky teo. Nanapaka voninkazo izy, ary nitondra ilay izy teny amiko, sady niteny hoe: “Raha tsy misy Andriamanitra, iza àry no nampaniry an’ity voninkazo ity? Tsy nisy nikarakara azy ity isika na iray aza.” Nampisaintsaina ahy ny tenin’ilay zazalahy kely. Tsapako fa nitombina tsara ny zavatra nolazainy.

Notezaina tamin’ny fampianaran’ny Kominisma hatramin’ny mbola kely anefa aho, ka taona maro tatỳ aoriana vao nandinika ny Baiboly. Nanatona ireo Vavolombelona teo an-toerana aho tamin’ny 1995, ary nangataka hampianarina Baiboly. Faly erỳ aho rehefa nahafantatra fa anisan’ireo olona hampianatra ahy ny iray tamin’ireo mpianatro taloha!

Marina aloha fa nanampy ahy hahita fianarana ambony ny fitondrana kominista. Tsy mba nampianatra ahy ny lesona lehibe indrindra eo amin’ny fiainana anefa izy io. Noho ny fitahian’i Jehovah sy noho ilay zazalahy kely be herim-po anefa, dia azoko atao izao ny mampiasa ny fahaizako sy ny fahalalana ara-baiboly ananako, mba hanampiana ny hafa hahatakatra fa tena misy Andriamanitra, ary tena miahy ny olombelona izy.

[Efajoro/Sary, pejy 113-115]

Teraka Tany An-tsesitany

Lidia Sevastian

Teraka: 1954

Batisa: 1995

Mombamomba Azy: Tsy afaka nifandray tamin’ny Vavolombelona izy nandritra ny taona maro, taorian’ny nisarahany tamin’ny ray aman-dreniny.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny reniko sy ny renibeko tany am-piandohan’ireo taona 1940. Tsy nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly ny raiko tamin’izany fotoana izany, na dia lehilahy tsara toetra aza. Bevohoka zaza kambana i Neny taloha kelin’ny taona 1951, ary efa niteraka roa. Nitady hanasaraka ny fianakavianay ny manam-pahefana, ny volana Aprily tamin’io taona io. Nampidirin’izy ireo tao anaty fiarandalamby ho any Siberia ireo zokiko sy Neny, izay efa akaiky ho teraka. I Dada anefa mbola tany am-piasana tamin’izay. Afaka nandefa hafatra ho an’i Dada ihany anefa i Neny talohan’izay, ka nody haingana izy. Tsy Vavolombelona izy, nefa nandeha tany an-tsesitany niaraka tamin’ny fianakaviany.

Navela hijanona kely tao amin’ny tanànan’i Asino i Neny tamin’ny dia ho any Siberia, rehefa ho teraka. Tsy maintsy nanohy ny dia hatrany amin’ny fivondronan’i Tomsk kosa i Dada sy ireo zokiko. Nahita toerana hipetrahana i Dada rehefa tonga tany. Nomena asa niaraka tamin’ireo anadahy izy. Tonga tany amin’ny toerana nisy ny fianakavianay koa i Neny sy ireo zaza kambana, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Nampalahelo anefa fa maty ireo zazakely ireo, noho ny toe-piainana ratsy tany an-toerana.

Mbola nisy efatra anefa ny zaza teraka tany an-tsesitany, ka anisan’izany izaho sy ny anadahiko kambana amiko. Nikarakara anay hatrany i Dada. Nahazo niverina tany amin’ny tanàna niavianay izahay, tamin’ny 1957. Niezaka nampianatra anay ny toro lalan’ny Baiboly foana i Neny, na dia nanara-maso azy aza ny polisy miafina.

Izay hahatonga ny zanany hahita fianarana ambony kosa anefa no tena nimasoan’i Dada. Nandeha nianatra tany amin’ny oniversiten’i Chisinau àry aho, tamin’izaho 16 taona. Nanambady aho tatỳ aoriana, ary nifindra tany Kazakhstan. Nanjary tafasaraka tamin’ny ray aman-dreniko sy ny fandaminan’i Jehovah aho. Niverina tany Chisinau aho tamin’ny 1982, ary nanomboka nitady fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nahita. Nihevitra aho, nandritra ny valo taona, fa izaho irery no naniry hanompo an’i Jehovah tao amin’io tanàna io.

Indray andro, dia nandre vehivavy roa niresaka momba an’i Jehovah aho, teo am-piandrasana bisy. Nanatona akaiky kokoa aho mba hahafahako handre tsara ny tenin’izy ireo. Nihevitra anefa izy ireo fa mpiasan’ny KGB aho, ka novany ny resaka. Nanaraka azy mirahavavy aho rehefa nandeha izy ireo. Mazava ho azy fa nampatahotra azy izany. Nanatona haingana àry aho, ary nilaza taminy ny tao am-poko. Nino ahy ihany izy ireo rehefa niresaka kelikely izahay. Tanteraka ihany ny nofiko tamin’ny farany, ka tafaray tamin’ny fandaminan’i Jehovah indray aho! Nanohitra ny finoako anefa ny vadiko.

Roa ny zanakay tamin’izay. Niditra hopitaly aho tamin’ny 1992, satria nodidiana tao amin’ny hazon-damosiko. Tsy afa-nihetsika teo am-pandriana aho, nandritra ny enim-bolana. Tamin’izay indrindra anefa no nisy zavatra nahafaly. Nifidy ny hanompo an’i Jehovah i Pavel, zanako lahy, ary natao batisa tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Kiev, tamin’ny 1993. Nihasitrana aho tatỳ aoriana, ka afaka nandeha indray. Nanolo-tena ho an’i Jehovah koa àry aho tamin’ny 1995.

Maro amin’ny fianakaviako izao no Vavolombelona, ary tena velom-pisaorana an’i Jehovah aho noho izany. Ohatra tsara ho ahy hatramin’izao koa ny tsy fivadihan’i Neny. Faly koa aho, satria lasa mpanompon’i Jehovah koa i Dada, ilay ray tsy nahafoy ny fianakaviany, talohan’ny nahafatesany.

[Efajoro/Sary, pejy 117, 118]

Be Lavitra Noho ny Anay ny Sorona Nataon’i Jehovah

Mihai Ursoi

Teraka: 1927

Batisa: 1945

Mombamomba Azy: Nenjehin’ny Fasista sy ny Kominista.

Lasa mpitory ny vaovao tsara aho tamin’ny 1941. Feno 15 taona aho tamin’ny 1942, ary tokony ho nanaraka ireo fiofanana ho miaramila natao tany an-tsekoly. Nisy sarin’i Michel, mpanjakan’i Romania, sy ny Jeneraly Antonescu ary Maria Virjiny tao am-pianarana. Tokony ho niankohoka teo anatrehan’ireo sary ireo sady hanao ny mariky ny lakroa izahay, rehefa niditra ny efitrano fianarana. Tsy nety nanao izany anefa ny telo taminay.

Noho izany, dia nikapoka anay tamin’ny fomba tsy nifaditrovana ny polisy. Najanona tao an-tsekoly izahay nandritra ny alina. Nalefa tany Corjeuţi izahay ny ampitson’iny, ary voakapoka indray rehefa tonga tany. Nafindrafindra toerana aloha izahay, avy eo nasaina nandeha an-tongotra tamin’ny lalana 100 kilaometatra, mba hotsaraina. Nandeha ra be ny tongotro noho ilay dia. Nalefa nody aho tamin’ny farany, angamba noho izaho mbola kely loatra.

Nantsoin’ny fitondrana sovietika hanao miaramila aho rehefa feno 18 taona. Mbola tsy nety nandray fitaovam-piadiana koa aho, ka nokapohina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana indray. Natao toy izany koa ilay namako atao hoe Gheorghe Nimenco. Maty izy, iray volana sy tapany taorian’izay, noho ny ratra nahazo azy. Nalefa nody indray aho, angamba noho izaho mbola kely loatra. Nisambotra ahy indray ny Sovietika tamin’ny 1947. Nampitahotra ahy izy ireo tamin’izay hoe hotifiriny, hono, aho raha tsy mety manao miaramila. Tsy notifiriny akory anefa aho, fa natoka-monina nandritra ny roa volana. Nasaina nanao asa an-terivozona aho taorian’izay, ka nalefa tany amin’ny tetik’asa fanamboarana ny Lakandranon’i Volga-Don. Tena nampidi-doza io asa io, ka maro no maty. Nisy loza iray nahafaty olona maro, ary kely fotsiny no tsy nampaharatra ahy tamin’izay. Nalefa nody teto Moldavia aho taorian’izay.

Nanambady an’i Vera aho, ary bevohoka izy tamin’ny 1951. Natao sesitany izahay mivady tamin’io taona io. Nandeha fiarandalamby izahay tamin’ny voalohany, avy eo nandeha sambo hatrany amin’ny alan’i Siberia, any atsimon’ny Tendrontany Avaratra. Nasaina nikapa hazo aho rehefa tonga tany. Fianakaviana 16 no niray efitra taminay sy Vera. Soa ihany fa navela hody teto Moldavia izahay tamin’ny 1959.

Maro ny zavatra nampahery ahy nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny ary hatramin’izao aza. Anisan’izany ny oha-pinoan’i Ion rahalahiko. (Jereo ny pejy 89.) Nomelohina ho faty izy. Tsy nety nivadika mihitsy anefa izy, na dia mbola tsy fantany aza hoe hovana ny saziny. Tsaroako koa fa niahy ahy foana i Jehovah, ary niahy anay mivady koa tatỳ aoriana, rehefa niaritra fisedrana mafy noho ny anarany izahay. Be lavitra noho ny anay anefa ny sorona nataon’i Jehovah, satria nandefa ny Zanany ho faty izy, mba hanavotana antsika. Manampy ahy hiatrika amim-pifaliana ny androko tsirairay ny fisaintsainana izany sorona lehibe izany.

[Efajoro/Sary, pejy 121-123]

Tena Tsapako ny Fitiavan’i Jehovah

Mihailina Gheorghiţa

Teraka: 1930

Batisa: 1947

Mombamomba Azy: Irakiraka sady mpandika teny nandritra ireo taona maro nandrarana ny asa.

Nianatra ny fahamarinana aho tamin’ny 1945. Tiako ny nizara ny vaovao tsara tamin’ny mpiara-monina tamiko tao Glodeni sy Petrunea, tanàna teo akaikiny. Nitory tany am-pianarana koa aho, ka tsy nomen’ny tompon’andraikitra diplaoma. Faly anefa aho, satria afaka nampiasa ny fahaizako mba handikana ireo boky sy gazety ara-baiboly avy amin’ny teny romanianina sy ukrainien ho amin’ny fiteny rosianina.

Tratra nandika teny aho, taoriana kelin’ny batisako, ka voaheloka hiasa an-terivozona nandritra ny 25 taona, tany Vorkouta, any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika. Nisy rahavavy maro be koa tany. Nitory foana izahay na dia tao anatin’ny toe-piainana sarotra aza. Afaka nahazo boky sy gazety koa izahay. Izahay mihitsy aza no nanamboatra ny sasany tamin’ireo boky sy gazety nampiasainay tao an-toby.

Nifanena tamin’ny tovovavy iray aho indray andro. Nosamborin’ny manam-pahefana izy satria noheverin’izy ireo fa Vavolombelona. Notoroako hevitra izy mba handinika ny Tenin’Andriamanitra, satria manana hery hanafahana ny mpanompony i Jehovah raha iriny izany. Nanaiky hianatra Baiboly ihany izy rehefa nandeha ny fotoana, ary lasa rahavavy. Nafahana izy taoriana kelin’izay, na dia mbola tsy vita aza ny saziny.

Nafindra tany Karagandy, any Kazakhstan, aho taoriana kelin’izay, ary nafahana tamin’ny 5 Jolay 1956. Nifindra tany Tomsk aho, ary nifankahita tamin’i Alexandru Gheorghiţa, izay nigadra nandritra ny enin-taona noho ny finoany. Nivady izahay, ary nanohy nitory tao amin’ilay faritany midadasika tany Siberia, na dia fantatray aza fa nanara-maso anay ny polisy miafina. Nifindra tany Irkoutsk, akaikin’ny Farihin’i Baïkal, izahay taorian’izay. Mbola namokatra boky sy gazety ihany izahay tany, na dia niafina aza. Nanompo tany Bichkek, any Kirghizistan, koa izahay. Nitandrina fatratra i Alexandru rehefa nitory, nefa tratra ihany izy, ka voasazy folo taona an-tranomaizina.

Nilaza ny mpampanoa lalàna fa nahazo nitsidika an’i Alexandru tany am-ponja aho, raha mbola niandry ny didim-pitsarana izy. Tsy azo atao izany raha ny tokony ho izy, ka nanontany aho hoe nahoana izy no tsara fanahy toy izany. Hoy izy: “Mbola mpivady vao ianareo, sady manan-janaka iray. Mety ho azonareo atao ny mamerina mandinika ny fanapahan-kevitrareo.” Nolazaiko tamin’ilay mpampanoa lalàna fa efa tapa-kevitra hatry ny ela izahay sy Alexandru fa hanompo an’i Jehovah, sady tsy hivadika aminy na oviana na oviana. Hoy izy: “Ny Baibolinareo aza milaza fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.” (Mpit. 9:4) “Milaza izany tokoa ny Baiboly”, hoy aho, “nefa tsy handova ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ilay karazana amboa velona resahinao.”

Namita ny saziny folo taona tany an-tranomaizina i Alexandru, ary mbola nambenana tao an-trano izy nandritra ny herintaona. Rehefa nafahana izy, dia nifindra tany Kazakhstan izahay, ary avy eo tany Ouzbékistan, mba hanampy tamin’ny asa fitoriana. Niverina teto Moldavia ihany izahay tamin’ny 1983. Faly izahay fa afaka nanampy olona tso-po tany amin’ny tany maro samihafa mba hianatra momba an’i Jehovah. Tombontsoa tsy manam-paharoa tokoa izany!

Tsy nandeha ho azy foana akory ny fiainako tamin’ny lasa. Toy izany koa anefa no nanjo ny mpiara-monina tamiko, izay tsy Vavolombelona. Tsy maintsy niatrika zava-manahirana maro izy ireo. Tsy nitovy anefa ny anay, satria izahay nijaly noho ny vaovao tsara. Noho izany, dia tena tsapanay ny fitiavana sy ny fiarovan’i Jehovah. Fantatray koa fa hahazo fiainana sambatra mandrakizay izahay amin’ny hoavy, rehefa tsy hisy intsony ny fisedrana.

[Tabilao/Sary, pejy 80, 81]

MOLDAVIA—IREO TAONA NANAN-TANTARA

1891: Nitsidika an’i Kichinev, Bessarabie (Chisinau, Moldavia, ankehitriny) i C. Russell.

1895

1921: Olona 200 mahery no nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly, araka ny tatitra isan-taona.

1922: Naorina tany Corjeuţi ny “trano fivoriana” voalohany.

1925: Voarara ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly.

1930

1940: Navelan’i Romania hotantanan’ny Firaisana Sovietika i Bessarabie, ary novana hoe Moldavia Sovietika ny anarany.

1941: Lasan’i Romania indray i Moldavia. Nahazo vahana ny Fasisma, ary nafana fo tamin’ny ady ny olona, ka nanjary nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah.

1944: Lasan’ny Firaisana Sovietika indray i Moldavia. Nitohy ny fanenjehana.

1949: Natomboky ny Firaisana Sovietika ny fanaovana sesitany ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa.

1951: Natombok’i Staline ny Opération Nord.

Ireo taona 1960: Nataon’ny KGB izay hampikorontana sy hampisaratsaraka ny vahoakan’Andriamanitra.

1965

1989: Nalalaka kokoa ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanatrika fivoriambe tany Polonina ny solontena avy teto Moldavia.

1991: Novana hoe Repoblikan’i Moldavia ilay anarana hoe Moldavia Sovietika. Natao ny fivoriamben’ny faritra voalohany. Nitsidika voalohany teto ny mpiandraikitra mpitety sampana avy tany amin’ny foibe.

1994: Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao tany Chisinau ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany.

2000

2000: Notokanana tany Chisinau ny Trano Betela vaovao.

2003: Miisa 18 473 ny mpitory marisika eto Moldavia.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpitory

Isan’ny Mpisava Lalana

20 000

10 000

1895 1930 1965 2000

[Sarintany, pejy 73]

(Jereo ny boky)

UKRAINE

MOLDAVIA

Briceni

Tabani

Lipcani

Şirăuţi

Corjeuţi

Ţaul

Feteşti

Soroca

Bălţi

Petrunea

CHISINAU

Căuşeni

Reniranon’i Dniestr

Reniranon’i Prout

ROMANIA

Iaşi

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 74]

Ilie Groza, anisan’ireo Vavolombelona voalohany teto Moldavia

[Sary, pejy 75]

Tudor Groza

[Sary, pejy 78]

Ioana Groza

[Sary, pejy 92]

Parfin Palamarciuc sy Nicolae zanany lahy

[Sary, pejy 93]

Vasile Gherman

[Sary, pejy 94]

Nicolae Anischevici

[Sary, pejy 95]

Maria Gherman

[Sary, pejy 96]

Vagao nitondrana Vavolombelona nankany Siberia

[Sary, pejy 98]

Ivan Mikitkov

[Sary, pejy 99]

Constantin Şobe

[Sary, pejy 107]

Nicolai Voloşanovschi sy ilay bokikely “Fanambaniny Roa Sosona”

[Sary, pejy 111]

Gheorghe Gorobeţ

[Sary, pejy 126]

Efitrano Fivoriambe any Feteşti

[Sary, pejy 131]

Komity miandraikitra ny asa eto Moldavia. Havia miankavanana: David Grozescu, Anatolie Cravciuc, ary Tiberiu Kovacs