Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Repoblika Demokratikan’i Congo (Kinshasa)

Repoblika Demokratikan’i Congo (Kinshasa)

Repoblika Demokratikan’i Congo (Kinshasa)

‘Toy ny voa latsaka avy ao anaty harona izahay, ka na aiza na aiza ilatsahan’ilay voa, dia vokatra foana izy rehefa avy ny orana.’ Vavolombelon’i Jehovah nahatoky, nampijalin’ireo manam-pahefan’i Congo belge, no nilaza ireo teny ireo, efa 50 taona lasa izay. Ho hitanao amin’ity fitantarana ity fa nandrotsaka fitahiana toy ny orana namelombelona i Jehovah, ka nitombo be ny mpitory ilay Fanjakana nanerana an’i Congo.

Eo afovoan’i Afrika no ahitana ny Repoblika Demokratikan’i Congo, na Congo (Kinshasa). * Eo amin’ny andaniny roa amin’ny ekoatera no misy an’io tany io, ary rakotra ala matevina ny ampahany lehibe aminy. Mahafinaritra erỳ ireo biby isan-karazany any an’ala sy eny amin’ny kijana. Manana harena an-kibon’ny tany maro io tany io, ka mahaliana ny olona avy amin’ny firenena maro. Betsaka koa anefa ny fahavalo nanafika sy ny ady an-trano.

Tamin’ny 1885 no niorina ny Fanjakana Mahaleo Tenan’i Congo, ka i Léopold II, mpanjakan’i Belzika, no tompon’ilay tany sy nifehy azy. Tsy nanana fahaleovan-tena akory anefa ny mponin’i Congo raha ny tena marina. Nampiasa herisetra ny olon’i Léopold, ka nanery ny vahoaka hiasa mba hahazoany ivoara sy fingotra. Nahatezitra ireo firenena eoropeanina nanodidina izany, ka nilefitra ihany i Léopold tamin’ny farany. Rava ny Fanjakana Mahaleo Tenan’i Congo tamin’ny 1908, ka nanjary Congo belge, izay zanatany notantanan’ny antenimiera belza. Nahazo fahaleovan-tena i Congo tamin’ny 1960.

Mpivavaka be ny mponina eto Congo. Betsaka ny fiangonana sy sekoly fiofanana ho pretra, na ho pasitera. Mahatadidy andinin-teny maro ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona. Tsy mora anefa ny nampiditra ny fivavahana marina teto Congo. Ny tena nahasarotra izany, dia ny fisian’ny fivavahana iray antsoina hoe Kitawala, izay nafangaron’ny olona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sarotra ny nanavaka ny tena Vavolombelona

Avy amin’ny teny swahili midika hoe “mifehy, mandidy, na mitondra” ny hoe “Kitawala.” Tanjona ara-politika àry no tena nokendren’ny Kitawala, dia ny hahazoana fahaleovan-tena ka tsy hianteherana intsony amin’i Belzika. Nihevitra izy ireo fa mety ho tratra izany tanjona izany raha ny fivavahana no ampiasaina hanarontsaronana azy. Nampalahelo anefa fa nalain’ireo Kitawala ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nianarany sy nampiasainy. Nisy soratra fampahafantarana hoe “Tilikambo Fiambenana” ny toerana nivavahan’izy ireo. Taloha ben’ny nidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah no efa nalaza tao amin’ny faritanin’i Katanga, faritra atsimoatsinanan’i Congo, ireo “Antokon’ny Tilikambo Fiambenana.” Efa am-polo taona ny olona no nihevitra fa Vavolombelon’i Jehovah ireo mpivavaka tao amin’ny Kitawala. Mazava ho azy anefa fa tsy marina izany.

Novan’ny Kitawala ireo fampianaran’ny Baiboly mba hanohanana hevitra ara-politika sy finoanoam-poana ary fitondran-tena maloto. Tsy nety nandoa hetra izy ireo, sady nikomy tamin’ny mpanjana-tany. Nampiasa fitaovam-piadiana mihitsy ny sasany tamin’izy ireo mba hanoherana ny manam-pahefana. Tsy mahagaga àry raha nandrara azy ireo ny fanjakana belza.

Namoaka lahatsoratra an-gazety ny solontenan’ny fivondronana iray teto Congo tamin’ny 1956, mba hampahafantarana ny niandohan’ny Kitawala. Niresaka momba an’i Tomo Nyirenda ilay lahatsoratra. Avy any Nyassaland (Malawi ankehitriny) izy io, ary nipetraka tany Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny). Olona efa niara-nivory tamin’ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) angamba no nampianatra an’i Nyirenda, tany Le Cap, any Afrika Atsimo. Hoy ilay lahatsoratra: “Tonga tany Katanga [Congo] i [Nyirenda] tamin’ny 1925, . . . ary nilaza tena ho Mwana Lesa na ‘Zanak’Andriamanitra.’ Natahotra famosaviana ireo tompon-tany, ka izany no nohararaotiny. Nampanantena izy fa tsy handairan’ny ody izay manara-dia azy, sady tsy handoa hetra intsony na amin’ny manam-pahefana na amin’ny Eglizy. Nampangaina ho mpamosavy ireo tsy nanaiky ny lalàna napetrany, ary nokapohina, ka rehefa torana dia noterena hatao ‘batisa’, izany hoe nalentika tao anaty rano mandra-pahatapitry ny ainy. (Fatin’olona 55 no hita tao amin’ny renirano iray.) Nomelohin’ny filohan’ilay tanàna i Tomo, nefa afa-nandositra, ka niverina tany Rodezia. Nokarohin’ny manam-pahefana tany Rodezia izy noho ny vonoan’olona nataony. Nosamborina sy notsaraina izy, ary nahantona.”

Nolazain’ireo manam-pahefana belza fa ny fitsofohan’ilay nantsoina hoe Mwana Lesa tany Katanga, tamin’ny 1923 ka hatramin’ny 1925, no niantombohan’ny Kitawala teto Congo. Am-polo taona taorian’izay vao navela hiditra sy hipetraka teto ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sarotra ny nanavaka ny tena Vavolombelon’i Jehovah, satria maro be ny fiangonana tsy miankina eto Afrika. Efa ho an’arivo ny isan’ireny fivavahana ireny. Nanoratra toy izao i John Mbiti, mpikaroka momba ny fivavahana afrikanina: “Be dia be ny fiangonana mizarazara sy antokom-pivavahana ary sekta eto Afrika, ka miteraka olana lehibe ho an’ny Kristianisma izany. Avy any amin’ny kontinanta hafa ny ankamaroan’ireny fivavahana ireny. Maro amin’izy ireny koa anefa no noforonin’ny Afrikanina, satria tsy te hotantanan’ny misionera vahiny foana izy ireo, na koa naniry hahazo fahefana. Tiany hifanaraka kokoa amin’ny kolontsaina sy ny zava-manahirana eto Afrika koa ny Kristianisma, ka izany no namoronany ireny fivavahana ireny, ary misy antony maro hafa koa.”

Izany no nahatonga ny fiangonana tsy miankina maro teto, ka ny ankamaroan’izy ireo dia naka tahaka na niala tamin’ny fivavahana efa nisy. Tsy ny Kitawala irery no nanao izany, kanefa ny fisian’izy ireo no tena nahafahan’ny Kristianisma Anarana nisakana ny fidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Congo. Fantatry ny mpitondra fivavahana tsara fa samy hafa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kitawala. Ninian’izy ireo naely anefa hoe mitovy tsy misy valaka ny Kitawala sy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanana fahefana be ireo mpitondra fivavahana, ka mora taminy ny nampiely izany lainga izany. Nitana toerana lehibe teto Congo ny Kristianisma Anarana, indrindra fa ny Eglizy Katolika, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Tsy nekena ho ara-dalàna teto kosa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tian’ireo mpitondra fivavahana hitohy foana izany. Tsy tian’izy ireo hisy hiova finoana ny mpivavaka tao aminy, ka tsy navelany hiditra teto ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny Kitawala foana no voalaza fa nahatonga ny rotaka sy fikomiana ary adim-poko. Matetika izy ireo no nantsoina hoe Antokon’ny Tilikambo Fiambenana. Nanjary tsy tian’ny manam-pahefana àry ilay anarana hoe Tilikambo Fiambenana. Niteraka olana ho an’ireo naniry hanompo an’i Jehovah teto Congo izany.

Nandefa taratasy maro be ho an’ny manam-pahefana teto Congo ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-tany hafa, nandritra ny am-polo taona talohan’ny fahaleovan-tena. Nohazavain’izy ireo fa tsy nisy ifandraisany tamin’ny Antokon’ny Tilikambo Fiambenana mihitsy ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Nampifandraisin’ny manam-pahefana foana anefa ny zavatra nataon’ny Kitawala sy ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Very maina avokoa ny ezaka natao mba handefasana Vavolombelon’i Jehovah teto Congo.

Tsy navela hiditra teto Congo ny Vavolombelona, ka tsy tena fantatra ny mombamomba an’ireo mpanompon’i Jehovah teto an-toerana tamin’izany fotoana izany. Tena mahaliana anefa ny tatitra nataon’ireo sampana manodidina, momba izay nitranga teto nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Hojerentsika ny santionany amin’ilay diarin’i Congo naharitra 30 taona, ary misy fanazavana hafa koa miaraka aminy.

Diarin’i Congo: Tatitra vitsivitsy tamin’ny 1930-1960

1930: Nisy olona nandefa taratasy tamin’ny paositra, nangataka boky sy gazety, . . . avy any Congo belge.

1932: Manantena izahay fa ho azo atao ny hitory any Congo belge sy any amin’ny faritra hafa any Afrika Afovoany, izay mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara.

Nandefa fangatahana tany amin’ny manam-pahefana belza foana ny sampan’i Afrika Atsimo nanomboka tamin’ny Mey 1932, mba hampidirana mpanompo manontolo andro any Congo. Tsy nekena ireny fangatahana ireny. Afaka nankany Congo ihany ny rahalahy sasany avy any Rodezia, satria nifamezivezy ny mponin’i Congo sy Rodezia Avaratra. Fotoana fohy ihany anefa no nijanonan’ireny rahalahy ireny tany.

1945: Ilana herim-po ny miandany amin’Andriamanitra sy ny fanjakany any [Congo belge]. Voarara tanteraka mantsy ny asa sy ireo boky aman-gazety. Alefa sesitany any amin’ny toerana mitokana koa izay Kongoley sahy miandany amintsika, ka tsy mahazo miala any mandritra ny taona maro mihitsy aza indraindray. Nisy taratasy avy any Congo ihany tonga teto [Rodezia Avaratra], saingy toa tsy voaray ny valiny nalefanay. . . . Miezaka mafy izahay mba hanampiana ireo mpitory ilay Fanjakana ao amin’io firenena anjakan’ny pretra io.

1948: Mpitory ilay Fanjakana roa no mipetraka any amin’izao fotoana izao, ary nandefa tatitra tany amin’ny sampan’i Belzika izy ireo. Manantena izahay fa mbola hisokatra ihany io faritany midadasika io, ka hotorina any ny filazantsaran’ilay Fanjakana.

1949: Faran’izay sarotra ny mitory ao amin’io faritany be Katolika io. Taloha, izay Vavolombelon’i Jehovah tratran’ny pretra dia nofahanany vongan-tsira tsy nisy rano. Ny fanjakana indray anefa tatỳ aoriana no nasain’izy ireo nanome ny sazy, toy izay natao tamin’ireo tsy nanaraka ny Fivavahana Katolika tany Espaina. Efa hatramin’ny taona maro no nogadraina nandritra ny fe-potoana tsy voafetra ireo Vavolombelona afrikanina, noho izy ireo nitory. Nisy aza nalefa tany amin’ny toby fitanana manokana tany Kasaji, tokony ho [500] kilaometatra avy eo Élisabethville [Lubumbashi ankehitriny]. Nasaina niasa an-terivozona izy ireo, ary natokan-toerana, ka indraindray aza tsy nampiarahina tamin’ny fianakaviany. . . . Mety ho naharitra folo taona izany. Matetika no tsy nanantena ny ho afaka mihitsy izay Vavolombelona natokan-toerana toy izany, raha tsy hoe nanaiky hiala tamin’ny finoany angaha.

Niafina àry ireo rahalahy rehefa nitory sy nivory, ary novana foana ny toeram-pivoriana sao dia tratra. Olom-pantatra sy namana ihany no notsidihina rehefa nitory, nefa mbola nahitana olana ihany izany. Nosamborina sy nalefa tany amin’ny tobin’i Kasaji izay Vavolombelona tratra.

Nankany Congo belge i Llewelyn Phillips, avy any amin’ny sampan’i Rodezia Avaratra tamin’izay fotoana izay, mba hanampy ireo Vavolombelona nenjehina. Nanazava momba ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny tsy mampitovy ny zavatra inoan’ny Vavolombelona sy ny Kitawala ny Rahalahy Phillips, ary nihaino azy tsara ny governora sy ny mpitondra fanjakana hafa. Somary nalahelo kely avy eo ilay governora rehefa niteny hoe: “Inona anefa izao no hanjo ahy raha manampy anareo aho?” Fantany tsara fa nanana fahefana lehibe teo amin’ilay firenena ny Eglizy Katolika.

1950: Tena sarotra ny fiainana tamin’iny taona lasa iny, indrindra ho an’ireo rahalahy any Congo belge. Tsy voarain’izy ireo ny ankamaroan’ny boky sy taratasy nalefa, tany am-piandohan’ny taom-panompoana, ary saiky tapaka tanteraka ny fifandraisana. Noraran’ny governora koa ny Fikambanana tamin’ny 12 Janoary, ary nogadraina roa volana sy nasaina nandoa lamandy 2 000 francs izay nanohana na nanao ny asan’ny Fikambanana. Faly erỳ ny Eglizy Katolika namoaka izany didim-pitsarana izany an-gazety. Nifanesisesy ny fisamborana. Nampiasain’izy ireo ny lisitra azony tamin’ny herintaona, tany amin’ny mpikarakara ny [fiangonan’i] Élisabethville taloha. Olona an-jato no nosamborina niaraka tamin’ny vadiny, noho izy ireo nifandray tamin’ny Fikambanana. Naverina tany amin’ny taniny ireo rahalahy avy any Rodezia Avaratra rehefa vita ny saziny. Ireo rahalahy kongoley kosa nalefa tany amin’ny toby fitanana any Kasaji, [tokony ho 500] kilaometatra avy eo Élisabethville, ary mbola any ny sasany amin’izy ireo. Ireo rahalahy naverina tany amin’ny taniny kosa, nomena sakafo kely, ary noterena handeha an-tongotra 30 kilaometatra avy teo Sakania mandra-pahatonga tany amin’ny sisin-tanin’i Rodezia Avaratra.

Nitombo ny polisy miafina tato ho ato, ka raha vao nanana Baiboly fotsiny ny olona iray dia efa nahiahina ho Vavolombelon’i Jehovah.

Renay fa nohelohina higadra iray volana sy tapany ny anabavy eoropeanina roa avy any Élisabethville, satria nitory, sady nahitana Ny Tilikambo Fiambenana tany aminy. Novana ho sazy mihantona telo taona anefa izany, raha tsara fitondran-tena izy ireo (izany hoe tsy manao ny asan’ny Tompo mihitsy). Natahotra ny horoahina hiala an’ilay tany foana izy ireo isan’andro.

1951: Namoaka lahatsoratra maro be feno fanendrikendrehana ny gazety belza. Nolazain’izy ireo fa nifandray tamin’ireo mpivavaka mafana fo tafahoatra any Congo belge, antsoina hoe “Kitawala”, ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Voalazan’ny lalàna belza anefa fa rehefa misy manitsy ny lahatsoratra niseho tao amin’ny gazety, dia tsy maintsy avoakan’ilay gazety izany fanitsiana izany. Nanararaotra izany izahay mba hiarovana ny asan’ilay Fanjakana tamin’ireo fanendrikendrehana, ary navoaka an-gazety ny fanitsiana nalefanay.

Voarara ny asan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tany Congo belge nanomboka tamin’ny [12] Janoary 1949. Nijaly ireo tena Vavolombelon’i Jehovah noho ireny tatitra tsy marina ireny. Nandefasana fanazavana maro be ny minisitry ny zanatany, mba hanaporofoana fa tsy misy ifandraisany amin’ny “Kitawala” mpanongam-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, saingy tsy nahazoana valiny izany.

Fanendrikendrehana, fanenjehana, lamandy, kapoka, fanagadrana, ary fanaovana sesitany no nampiasaina mba hampijanonana tanteraka ny ‘fitoriana ny Teny’ any Congo belge.

1952: Be loatra ny fameperana ny Vavolombelon’i Jehovah ao Congo belge, ka toy ny hoe voagejan’ny “rindrim-by” izy ireo. Mbola mitohy ihany ny fandrarana ao amin’io firenena anjakan’ny Eglizy Katolika io.

Naharay tatitra maromaro izahay fa nisy mpitory afrikanina nalefa sesitany, nogadraina, nokapohina, sy ny sisa. Nitombo koa ny fanenjehana nampiharina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra maro. Nalefa sesitany tany amin’ny toby fiasana an-terivozona izay Kongoley tratra nitory, na nanana boky sy gazetin’ny Vavolombelona. Raha nisy olona nanana Baiboly fotsiny dia efa noheverina ho Vavolombelon’i Jehovah.

Narahi-maso foana ny tranon’ireo rahalahy, ary nosavaina matetika. Hoy ny rahalahy iray momba izany: “Tsy matory [ny polisy eto Congo belge] noho ny aminay. Mitady ny Vavolombelon’i Jehovah etsy sy eroa no ataon’izy ireo raharaha. Vao mainka mihasarotra ny toe-javatra.”

Nisy tatitra ho an’ny volana Aogositra voarainay, nalefan’ny mpitory 30. Voasoratra teny ambany ny 1 Tesalonianina 5:25, manao hoe: “Mivavaha foana ho anay, ry rahalahy.”

Nisy Vavolombelona avy any Rodezia Avaratra nankany Congo, araka ny voalaza teo aloha. Nogadraina izy ireo rehefa tratra, ary naverina tany amin’ny taniny tatỳ aoriana. Nigadra nandritra ny fotoana fohy ny ankamaroany, kanefa niasa an-terivozona nandritra ny taona maro ny rahalahy sasany. Nisy rahalahy iray nafindrafindra fonja nandritra ny dimy taona. Matetika izy no nokapohin’ireo mpisambotra azy. Nolazain’izy ireo koa fa tsy hafahana mihitsy izy raha mbola mitory.

Tamin’ny 1952 no nilazan’ilay rahalahy nahatoky hoe: ‘Toy ny voa latsaka avy ao anaty harona izahay, ka na aiza na aiza ilatsahan’ilay voa, dia vokatra foana izy rehefa avy ny orana.’ Izao no nosoratan’ny sampan’i Rodezia Avaratra momba izany: “Niely eran’i Congo ireny ‘voa’ ireny na dia teo aza ny fanenjehana. Ny fanenjehana mihitsy aza indraindray no nahatonga azy ireny hiely. Nisy fotoana naharaisan’ny biraon’ny sampana tany Lusaka tatitra avy tamin’ny olona an-jato, izay niaraka tamin’ny Vavolombelona tany amin’ny faritr’i Kolwezi. Fantatra anefa tatỳ aoriana fa maro tamin’izy ireo no nafindra tany an-toeran-kafa tany Congo.” Nitombo ny asa fanaovana mpianatra rehefa niely ireo rahalahy.

Tafiditra tany Léopoldville (Kinshasa ankehitriny) ny fahamarinana, raha mbola niezaka mafy nanohy ny asa fitoriana ireo rahalahy tany amin’ny faritra atsimoatsinanana. Nanao fandrosoana ara-panahy haingana mantsy ireo rahalahy tany Brazzaville, sady nazoto nitory ny fahamarinana, ka nisy tamin’izy ireo niampita ny Reniranon’i Congo, mba hitory tany Léopoldville. I Victor Kubakani sy ny vadiny no Vavolombelona vita batisa voalohany tany Kinshasa, tamin’ny 1952. Tsy ela dia nisy fiangonana niforona.

1953: Naharay tatitra izahay fa rahalahy 250 teo ho eo no nitory tany amin’ny faritra maro nanerana an’i Congo. Azo antoka anefa fa mbola maro noho izany ny isan’ny mpitory. [Fiverenana mitsidika] sy fampianarana Baiboly no tena nataon’ireo rahalahy. Tena vitsy ny boky aman-gazety nampiasaina tamin’izany, ary indraindray aza tsy nisy mihitsy, satria tsy fantatr’ireo rahalahy ny fotoana hisavana ny tranony. Nisy nitory tany amin’ny manam-pahefana ny rahalahy iray, satria hoe nanana bokikely roa. Voaheloka higadra roa volana tany amin’ny fonjan’i Élisabethville izy noho izany.

1954: Mbola voarara tanteraka ny Fikambanana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Congo belge. . . . Nitory tamin’ny voafonja ireo Vavolombelona nogadraina. Nampiasa sombin-taratasy sy pensilihazo kely ireo voafonja mba hanoratana izay zavatra reny, ary nohamarininy tao amin’ny Baiboly nozaraina tao am-ponja izany avy eo. Azo antoka fa izany no antony nanasarahana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny voafonja hafa, tany amin’ny toerana sasany.

Samy voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny an’ny Kitawala. Nalain’ny manam-pahefana izay boky na gazety ara-baiboly nalefa tany Congo belge. Azon’ny Kitawala indraindray ireo boky sy gazety tsy hitan’ny manam-pahefana, ka nampiasain’izy ireo hampandrosoana ny tombontsoany. Samy nosamborina sy nokapohina ary nalefa tany amin’ny toby fitanana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kitawala. Nilaza anefa i Jesosy hoe: “Ireo voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny.” (Matio 7:16) Tsikaritr’ireo manam-pahefana ny fitondran-tena tsaran’ireo rahalahy, ka nanomboka hitan’izy ireo fa tsy mitovy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kitawala.

1955: Mbola mitohy ny fandrarana any amin’io firenena io, ary mety haharitra izany. Izany anefa tsy nampihena ny zotom-pon’ireo tia sy manompo an’i Jehovah. Tsy nampiraviravy tanana azy ireo ny fanagadrana sy fanaovana sesitany maro tamin’ny taon-dasa.

Tsy afaka mitory isan-trano ireo rahalahy noho ny toe-javatra misy, ka [fiverenana mitsidika] sy fampianarana Baiboly no ataony. Nanoratra ny fiangonana iray hoe maniry hitory ny vaovao tsara isan-trano koa ireo Vavolombelona, nefa “tsy fantatray raha mbola havelan’i Jehovah hitory ny vaovao tsara isan-trano eto amin’ity faritra ity izahay, alohan’ny ady Hara-magedona.”

1957: Nanjary liana kokoa tamin’ny asantsika ny olona, indrindra fa ireo mpitondra fanjakana sy mpanao gazety, tamin’iny taona lasa iny. Tamin’ny volana Novambra, dia nanatona ny manam-pahefan’i Congo belge mivantana mihitsy ny Rahalahy [Milton] Henschel, ka nankany Léopoldville, ary nanao fangatahana mba hanesorana ny fandrarana ny Fikambanana sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy solontena hafa koa nankany Léopoldville taorian’izay, ary nisy solontenan’ny Fikambanana nanatona ny mpitondra fanjakana tany New York sy Bruxelles. Tatỳ aoriana, dia nisy manam-pahaizana momba ny raharahan’i Afrika avy any Belzika nitsidika ny sampan’i Rodezia Avaratra. Azo natao tsara tamin’izay ny nanazava momba ny asantsika sy ny hafatra torintsika tamin’ny an-tsipiriany.

Nitohy ihany ny fandrarana, ary nihasarotra hatrany ny asan’ireo rahalahy tany Congo belge. Nisy 216 ny tontalin’ireo nanatrika ny Fahatsiarovana, saingy nizarazara tamin’ny toerana samihafa.

1958: Niely hatrany ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny herintaona, ary nitombo ny vokatra azo, na dia teo aza ny fandrarana sy ny fisamborana.

1959: Sambany vao navelan’ny manam-pahefana teo an-toerana hiara-mivory ireo rahalahy, nefa mbola tsy nesorina ny fandrarana. Tsy nisy fivorian’ny fiangonana azo natao talohan’izay, fa Vavolombelona vitsivitsy fotsiny no niara-nianatra Baiboly tany an-tranon’olona. Sahirana erỳ ireo rahalahy rehefa nikarakara ny fivorian’izy ireo voalohany, dia ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Mpanatrika 1 019 no nankalaza izany tany amin’ireo [fiangonana] dimy tany Léopoldville. Nahavariana ny olona ny nahita ireo Kristianina niara-nivory, nefa vao mainka koa gaga izy ireo rehefa nahita ny toe-tsaina falifaly nananan’ireo rahalahy. Maro no nahita avy hatrany fa hafa noho ny mpivavaka rehetra izy ireo, satria “mifankatia.”

Mbola tsy azo nandefasana misionera tany Congo, kanefa nisy didy navoaka tamin’ny 10 Jona 1958, namela ny Vavolombelon’i Jehovah “hiangona ao amina trano fivoriana.” Faly ireo rahalahy rehefa navela hivory malalaka. Nanatrika ireny fivoriana ireny ny mpitandro filaminana indraindray, ary nidera ny Vavolombelona izy ireo noho ny fitondran-tena tsarany sy ny filaminany.

Nisy koa fiovana tsara hafa. Sekolim-pinoana avokoa ny sekoly tany Congo talohan’ny 1956. Tatỳ aoriana anefa, dia nisy minisitry ny zanatany nalala-tsaina nanangana sekolim-panjakana, ka nahazo fahalalahana bebe kokoa ny antokon’olom-bitsy. Nanomboka tsy nampifangaro ny Kitawala sy ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana, satria hitan’izy ireo ny mahasamy hafa an’ireo fivavahana roa ireo. Tena toy ny hoe nisy ranonorana namelombelona nanondraka an’ireo voan’ilay Fanjakana niely teny rehetra teny. Nihamaro hatrany ny olona niandany tamin’i Jehovah.

Nosamborin’ny lehiben’ny foko iray ny Vavolombelona sasany, ka nentiny tany amin’ny manam-pahefana mba hotsaraina. Rehefa nanontany ilay manam-pahefana hoe inona no ratsy nataon’izy ireo, dia tsy nahita havaly ilay lehiben’ny foko. Tezitra taminy àry ilay manam-pahefana. Nafahany ireo rahalahy ary nasainy naterina nody tamin’ny fiarakodia.

1960: Nandeha tsara ny asa tany Congo belge tamin’ny herintaona. Afaka nivory tsy tapaka tao amin’ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy na dia nisy zava-manahirana aza teo amin’ilay firenena, ary na dia mbola tsy nesorina tamin’ny fomba ofisialy aza ny fandrarana.

Nisy fisehoan-javatra niavaka tao Léopoldville renivohitra, tamin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana. Nitambatra ny [fiangonana] enina tao amin’io tanàna io, mba hanatrika lahateny ho an’ny besinimaro ny alahady. Faly izy ireo satria nisy 1 417 ny mpanatrika. Nanoratra toy izao ny [mpiandraikitra] iray tamin’izany fotoana izany: “Tena nahafaly ilay izy, satria tamin’iny izahay vao mba nanandrana nanao zavatra toy izany. Nitoby nanodidina anay ny anjelin’i Jehovah.”

Nahalalantsika ny zava-niseho teto Congo iny diary naharitra 30 taona iny, araka ny tatitra nataon’ireo sampana nanodidina. Andeha isika izao hijery izay zava-nitranga taorian’izany.

Antomotra ny fahaleovan-tena

Ny sampan’i Rodezia Avaratra no niandraikitra ny asan’ilay Fanjakana teto Congo, tamin’ny faramparan’ireo taona 1950. Efa azo natao ny nitory na dia mbola tsy nekena tamin’ny fomba ofisialy aza izany. Nisy zava-manahirana hafa anefa avy eo. Nihanahazo vahana ny fitiavan-tanindrazana, ary nikomy tamin’ny mpanjana-tany ny olona. Nandroba sy nandoro ireo fivarotana teto Léopoldville ny mpirotaka tamin’ny volana Janoary 1959. Norobain’izy ireo koa ny fiangonana katolika, ary natsipiny teny amin’ny arabe ireo sary vongana. Nifampidinika àry ny manam-pahefana belza sy ny solontenan’ireo antoko politika teto an-toerana. Nametra daty ho an’ny fahaleovan-tena izy ireo, dia ny 30 Jona 1960. Mazava ho azy fa tsy anisan’ireny mpirotaka ireny ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanomboka nisy antoko politika maro niforona nanerana ilay firenena. Tsy dia noho ny firehan-kevitra ara-politika loatra no nidiran’ny olona tao amin’ny antoko iray, fa noho ny fiaviana ara-poko. Noterena hividy karatry ny antoko politika ireo rahalahy. Hoy i Pierre Mafwa, izay vao vita batisa herintaona talohan’izay: “Avy niasa aho indray asabotsy antoandro tamin’ny Jona 1960, ary nandalo teo amin’ilay seranam-piaramanidina tranainin’i Léopoldville. Nisy lehilahy iray nitana sabatra nanatona ahy, sady nanontany hoe: ‘Aiza ny karatry ny antoko misy anao?’ Tsy namaly aho. Nasiany tamin’ny sabatra tampoka ny tarehiko, ka voa ny oroko. Mbola nasiany tamin’ilay sabatra ihany aho. Niezaka nandositra aho, kanefa nianjera tamin’ny tany. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hahatsiaro ahy amin’ny fitsanganan’ny maty, mba hahitako indray ny vadiko sy ny zanako enina. Nandre poa-basy aho taorian’izay. Notifirin’ny miaramila ny lohalik’ilay olona saika hamono ahy. Nentin’ny polisy tany amin’ny hopitaly aho avy eo mba hotsaboina. Ny andinin-teny tao amin’ny Baiboly no tena nampahery ahy.”

Tonga ireo misionera voalohany ary nanokatra ny biraon’ny sampana

Hitantsika fa tsy nisy vokany ny nanirahana solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Congo. Niova anefa ny toe-javatra, ka afaka niditra teto i Ernest Heuse, zanany.

Lava ranjanana ny Rahalahy Heuse, ary mainty sady olioly ny volony. Nahery fo izy, kanefa fantany fa ho sarotra ny fiainana teto Congo ho azy sy Hélène vadiny ary Danielle, zanany vavy 11 taona. Tena nanampy azy ny zavatra niainany talohan’izay. Niasa tao amin’ny Betelan’i Belzika izy tamin’ny 1947. Nanambady izy rehefa afaka herintaona, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny vadiny. Taorian’izay, dia nasaina nanatona mpisolovava sy tompon’andraikitra maro i Ernest, mba hampiseho an’ilay bokikely manazava ny maha samy hafa ny Kitawala sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra izy tatỳ aoriana.

Niezaka mafy i Ernest mba hahazoana taratasy hidirana teto Congo. Nandefa fangatahana manokana tany amin’ny mpanjakan’i Belzika mihitsy aza izy. Tsy nahazo lalana anefa izy, fa nanjary voasoratra ho anisan’ireo olona tsy nahazo niditra teto Congo.

Nikiry ihany anefa i Ernest. Tonga tatỳ Afrika izy, ary nanandrana niditra teto Congo avy tamin’ireo firenena nanodidina. Tsy nisy vokany koa izany. Nahazo visa hankanesana tany Brazzaville, renivohitry ny Repoblikan’i Congo, ihany anefa izy tamin’ny farany. Nandeha baka izy avy eo, ka niampita ny renirano namonjy an’i Léopoldville. Niteraka adihevitra teo amin’ireo manam-pahefana ny fahatongavany. Nisy tamin’izy ireo nilaza fa tsy tokony ho nomena visa izy, satria tao anatin’ny lisitr’ireo tsy nahazo niditra teto Congo ny anarany. Tamin’ny farany, dia nilaza i Cyrille Adoula, izay lasa praiminisitra tatỳ aoriana, fa fantany tsara ny ezaka rehetra nataon’i Ernest mba hidirana teto Congo. Nihevitra àry izy fa tsy maintsy ho olona mitady izay hahasoa an’i Congo i Heuse matoa tsy tian’ireo mpanjana-tany taloha. Nomena visa nandritra ny fotoana fohy aloha i Ernest, ary avy eo navela hanorim-ponenana teto mihitsy. Nanana solontena teto Congo àry ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Mey 1961, mba hanara-maso ny asa fanaovana mpianatra.

Nohafaran’i Ernest amin’izay i Hélène sy Danielle, ary nanomboka nianatra teto Léopoldville i Danielle tamin’ny Septambra. Nosokafana teto an-drenivohitra ny biraon’ny sampana voalohany, tamin’ny 8 Jona 1962. Ny rihana faharoa tamin’ny trano iray teo amin’ny Avenue du Marché no natao birao sy trano fonenana. Tery ilay trano, ka napetraka tamin’ny toerana hafa ny boky sy gazety. Tsy dia nahafa-po loatra izany, kanefa izay aloha no vahaolana hita, satria sarotra ny nitady trano tamin’izany fotoana izany.

Niasa avy hatrany ny Rahalahy Heuse. Nindrana fandefasana sarimihetsika tamin’ny sampan’i Brazzaville izy. Nasehony tamin’ireo fiangonana teto Léopoldville sy tamin’ny manam-pahefana sasany ilay sarimihetsika hoe Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao. Tamin’izay vao tena tsapan’ireo rahalahy sy olona liana fa mpirahalahy maneran-tany ny Vavolombelona, sady miara-miaina ao anatin’ny fihavanana sy fahasambarana. Gaga izy ireo nahita rahalahy mainty hoditra nanao batisa Vavolombelona eoropeanina. Tena tian’ny ben’ny tanànan’i Léopoldville ilay sarimihetsika, ka hoy izy: ‘Tokony hatao izay hampandrosoana an’io asan’ny Vavolombelon’i Jehovah io.’ Nisy 1 294 ny fitambaran’ireo nijery ilay sarimihetsika, tamin’ny fampisehoana efatra voalohany.

Faly erỳ ireo rahalahy, satria nanana olona hanampy azy ihany izy ireo tamin’ny farany, rehefa niandry an-taona maro. Mbola tsy nisy rahalahy eoropeanina fantatr’izy ireo mivantana mihitsy talohan’izay. Nisy aza nanontany tena raha tena nisy ireny rahalahy ireny na tsia, satria nanantitrantitra ireo manam-pahefana belza fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Belzika. Tena faly tokoa ireo Vavolombelona nanana ny Rahalahy Heuse teo anivon’izy ireo.

Sarotra ny nampihatra ny fahamarinana

Nisy asa maro tsy maintsy natao mba hanampiana ireo rahalahy hampihatra ny fahamarinana teo amin’ny fiainany. Mbola nanjaka, ohatra, ny fifankahalana ara-poko, ka nisy aza mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana tsy nifampiteny tamin’ny mpiandraikitra hafa. Raha nisy olona voaroaka tao amin’ny fiangonana iray hafa foko noho izy, dia nety ho nandray azy ny fiangonana nitovy foko taminy. Tsy neken’ny fiangonana iray ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fiangonana anankiray hafa. Latsa-paka lalina teo amin’ny fiainana andavanandro ireo fomban-drazana, ka nisy vokany teo amin’ireo fiangonana izany.

Niteraka zava-manahirana hafa koa ireo fomban-drazana. Matetika no tsy nanana fifandraisana akaiky ny mpivady, satria ny foko no nanamboatra ny fanambadian’izy ireo. Raha nisy olona tao amin’ilay foko tsy nankasitraka ilay fanambadiana, dia azony noterena ilay lehilahy mba hanary ny vadiny sy hampakatra izay vehivavy tian’izy ireo.

Mahatsiravina ny zavatra mitranga rehefa maty ilay lehilahy. Matetika no alain’ny fianakavian-dralehilahy avokoa ny fananana rehetra, ka mahantra tanteraka ny vady aman-janany. Amin’ny foko sasany, dia tanana ho tompon’andraikitra ny lehilahy raha maty ny vadiny, ary asain’ny fianakavian-dravehivavy mandoa lamandy izy.

Nisy zava-manahirana hafa koa anefa. Olona maro eto Congo no mbola mino fa tsy maintsy nisy namosavy ny olona matoa maty. Misy fombafomba atao àry amin’ny fotoam-pandevenana, mba hamantarana an’ilay nanao ratsy. Solana ny lohan’ilay olona voampanga, ary misy fombafomba maro hafa koa. Heverin’ny foko sasany fa fanadiovana ny vehivavy maty vady ny fanaovany firaisana amin’ny lehilahy iray foko amin’ny vadiny. Matetika koa ny olona no miresaka amin’ilay olona maty amin’ny fandevenana, ka hita avy amin’izany fa mino ny fanahy tsy mety maty izy ireo. Tena latsa-paka ireny fombafomba ireny, ka niteraka olana ho an’ireo naniry hanaraka ny fivavahana marina. Mbola tsy niala tanteraka tamin’ireny fombafomba ireny koa anefa ny sasany izay niseho ho Kristianina marina. Nanandrana nampiditra izany fanao izany teo anivon’ny fiangonana kristianina mihitsy aza izy ireo indraindray.

Tena nilaina ny mpiandraikitra hentitra sy be herim-po mba hanao fanitsiana. Nanaiky hianatra tamin’izy ireny ireo tia an’i Jehovah, ka nanitsy izay tsy nety. Tsy mora tamin’ireo mpiandraikitra ny nandrava ireny fanao ireny, izay efa mafy orina tao amin’ireo nilaza tena fa mahalala ny fahamarinana. Ny tsy fahaizan’ny olona nanavaka ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kitawala anefa no tena zava-manahirana lehibe indrindra.

Rehefa niely eran’ilay firenena fa nisokatra ny sampana, dia nisy antokona rahalahy maro nanoratra mba hekena ho fiangonana. Nanao izany koa ny Kitawala. Hoy ny tatitra iray: “Nisy olona nanao dia 2 300 kilaometatra mihitsy, ary nitondra lisitra lava be misy ny anaran’ireo naniry hekena ho Vavolombelon’i Jehovah. Indraindray, dia taratasy nanana sakany 70 santimetatra sy lavany 90 santimetatra no nanoratana ireny lisitra ireny. Ny anaran’ny mponina rehetra tao amin’ny tanàna roa na telo mihitsy indraindray no tao anatiny.”

Tsy maintsy nofantarina tsara àry izay tena Kristianina marina sy izay Kitawala, talohan’ny nanekena azy ireo ho Vavolombelon’i Jehovah. Naniraka rahalahy matotra ny Rahalahy Heuse mba hanao fanadihadiana. Naharitra aman-taonany izany. Hojerentsika ny zavatra sasany niainan’ireny lehilahy nahatoky ireny.

Fihaonana tamin’ny Kitawala

I Pontien Mukanga no mpiandraikitra ny faritra voalohany notendrena teto Congo, tamin’ny 1960. Rahalahy kelikely sady malefadefaka izay izy. Rehefa nahazo fampiofanana tany Congo (Brazzaville) izy, dia nitsidika ireo fiangonana tany Léopoldville sy ireo antoko-mpitory vitsivitsy teo amin’ny manodidina. Mbola nisy zava-tsarotra kokoa anefa niandry azy, dia ny fihaonana tamin’ny Kitawala.

Anisan’ny tanàna nalehan’ny Rahalahy Mukanga voalohany i Kisangani (Stanleyville no anarany tamin’izany), izay 1 600 kilaometatra avy eo amin’ny renivohitra. Nahoana izy no tsy maintsy nankany? Nisy Eoropeanina iray hitan’ny Rahalahy Heuse teny am-pitoriana, ary nampiseho azy sarina Baiboly nivelatra nalaina tany Stanleyville, taoriana kelin’ny nahazoana fahaleovan-tena. Izao no soratra teo amin’ilay sary: “Fikambanana Tilikambo Fiambenana​—Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena​—Fivavahana Kitawala Kongoley​—Ho Ela Velona Anie i Patrice Lumumba​—Ho Ela Velona Anie i Antoine Gizenga​—Ho Ela Velona Anie ny Governemanta Kongoley.” Miharihary avy amin’izany fa nisandoka ny anaran’ireo fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Kitawala tany Kisangani.

Tena nisy Vavolombelon’i Jehovah marina ve anefa tany Kisangani? Nirahina hijery izany ny Rahalahy Mukanga. Ilay lehilahy antsoina hoe Samuel Tshikaka ihany no fantatry ny sampana tany. Nandre momba ny fahamarinana izy tany Bumba, ary niverina tany Kisangani, tamin’ny 1957. Tsy niaraka tamin’ireo Kitawala i Samuel, ary tena naniry hanampy ny Rahalahy Mukanga izy. Izao no nosoratan’i Mukanga: “Niaraka tamin’i Samuel aho mba hanadihady momba ireo olona nampiasa ilay anarana hoe Tilikambo Fiambenana. Nankany amin’ny pasiteran’izy ireo izahay, ary nanome fanazavana anay izy. Fantatray fa nino ny fanahy tsy mety maty izy rehetra, na dia nampiasa ny Baiboly aza ny sasany taminy. Nampianarin’izy ireo fa afaka mifanakalo vady ny Kristianina satria mifankatia.”

“Taoriana kelin’ny nahatongavako, dia nitady hisambotra ny Kitawala ny polisy. Nanohitra anefa ny Kitawala. Niantso miaramila ny polisy mba hanampy azy. Kitawala maro no maty. Nisy sambo nitondra olona maty sy naratra niampita ny renirano. Niaraka tamin’izy ireo ny mpitan-tsoratry ny pasitera, ary tadidiny fa nitsidika ny mpitarika azy ireo aho roa andro talohan’izay. Izaho no nendrikendrehiny ho niampanga azy ireo tany amin’ny manam-pahefana, sy tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’ireo namany tamin’ilay ady. Nilaza tamin’ireo Kitawala namany izy mba tsy hamela ahy handositra, kanefa afaka nitsoaka aho, ka tsy matin’izy ireo.”

Namoaka lahatsoratra momba ilay zava-nitranga ny gazety tany Belzika, izay nitondra ny lohateny hoe: “Niady Tamin’ny Polisy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nanome tatitra marina anefa ny manam-pahefana kongoley, izay nahalala tsara fa tsy mitovy ny Kitawala sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nisy mihitsy gazety kongoley niampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho nahatonga ilay fifandonana, na dia iray aza!

Nanao ahoana kosa i Samuel Tshikaka? Mbola ao amin’ny fahamarinana izy, sady anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’i Kisangani Tshopo-Est. Misy mpitory 1 536 sy fiangonana 22 izao any Kisangani. Mpiandraikitra ny faritra i Lotomo, zanak’i Samuel, toa an’i Pontien Mukanga 40 taona lasa izay.

Mpiandraikitra ny faritra nahay nandamin-javatra

Niezaka mafy koa i François Danda, mpiandraikitra ny faritra iray hafa, mba handaminana ilay raharaha momba ny Vavolombelona sy ny Kitawala. Hoy izy: “Tena sarotra ilay izy, ary nisafotofoto be ny toe-javatra. Misy soratra famantarana hoe Tilikambo Fiambenana amin’ny teny anglisy [Watch Tower] foana ny toeram-pivorian’ny Kitawala. Hita ao amin’ny bokintsika rehetra koa anefa io teny hoe ‘Watch Tower’ io, eo amin’ny pejy faharoa. Eritrereto hoe nisy olona namaky ny bokintsika, ary nitady ny vahoakan’Andriamanitra. Mahita toeram-pivoriana iray izy, izay misy soratra famantarana hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah​—Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra’, amin’ny fiteny eo an-toerana. Mahita iray hafa koa anefa izy, izay misy soratra hoe: ‘Tilikambo Fiambenana’ amin’ny teny anglisy. Aiza amin’ireo àry no halehany? Hitanareo avy amin’izany fa nampikorontan-tsaina tokoa ilay izy.”

“Rahalahy maro no tsy nanana fahalalana marina tsara, ary vitsy kely ny boky sy gazety. Matetika no nafangaron’ireo fiangonana ny fahamarinana sy ny fampianaran’ny Kitawala, indrindra mahakasika ny fahamasinan’ny fanambadiana. Tao amin’ny tanàna iray notsidihiko, ny fandraisan’ireo rahalahy ny 1 Petera 2:17, manao hoe: ‘Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana’, dia hoe afaka manao firaisana amin’ny anabavy iray ny rahalahy rehetra eo anivon’ny fiangonana. Raha bevohokan’ny rahalahy hafa ilay anabavy, dia raisin’ilay rahalahy tompom-bady ho toy ny zanany naterany ihany ilay zaza. Tena nanolana ny Soratra Masina tokoa ireo ‘olona kely fahalalana sy tsy miorina tsara’, toy ny nitranga tamin’ny taonjato voalohany.​—2 Pet. 3:16.”

“Nanao lahateny ara-baiboly tena nivantana aho, ka nanazava ny fitsipik’i Jehovah, anisan’izany ny momba ny fanambadiana. Nolazaiko fa nilana fotoana elaela ny fanitsiana ny zavatra sasany, fa ny fifanakalozam-bady kosa tena nilaina nahitsy tsy nisy hataka andro. Nahafinaritra fa azon’ireo rahalahy tsara ny fomba fihevitry ny Soratra Masina, ka nampihariny. Nanaiky ny fahamarinana mihitsy aza ny Kitawala sasany tao amin’io tanàna io.”

Nanjary nazava tamin’ny olona ny fahasamihafan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kitawala noho ny ezaka nataon’ny Rahalahy Mukanga sy Danda, ary ny maro hafa koa. Tsy ampifandraisin’ny olona intsony izao ny “Kitawala” sy ny “Tilikambo Fiambenana.” Mbola misy ihany ny Kitawala, saingy tsy matanjaka toy ny taloha intsony izy ireo. Tsy fantatra mihitsy aza izy ireo any amin’ny faritra sasany.

Fitomboana noho ny fahaiza-mandamin-javatra

Mpitory maherin’ny 2 000 no nanompo an’i Jehovah tamin-jotom-po teto Congo tamin’ny taom-panompoana 1962. Vitsy anefa ny rahalahy nahafeno fepetra araka ny Soratra Masina ho mpiandraikitra. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny ankamaroan’izy ireo, indrindra fa ireo efa be taona. Maro tamin’izy ireo no ela vao nahavita nanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra, satria mbola voafatotry ny fomban-drazana. Tsy nahazo tombontsoam-panompoana koa ireo rehetra efa niaraka tamin’ny Kitawala, raha tsy taona maro tatỳ aoriana.

Nahazo fampianarana tsara anefa ireo lehilahy, sady nampian’ny fanahin’i Jehovah, ka nahafeno fepetra ho mpiandraikitra rehefa nandeha ny fotoana. Niezaka mafy ny mpiandraikitra ny faritra sy mpisava lalana nanerana an’ilay firenena, mba hampahery sy hampiofana ireo rahalahy. Nankany Katanga sy Kasaï atsimo mihitsy aza ireo mpiandraikitra ny faritra sy mpisava lalana manokana niofana tany Zambia, na dia nisy ady an-trano aza tany amin’ireo faritra ireo.

Nalalaka kokoa ny fivavahana taorian’ny fahaleovan-tena

Efa voalaza tany aloha fa namoaka didy ny fitondrana tamin’ny 1958, ka nahazo fahalalahana kely ny Vavolombelona. Nangataka ny hosoratana ara-panjakana foana ireo rahalahy tany am-piandohan’ireo taona 1960. Tsy nitady vola fanampiana avy tamin’ny fanjakana izy ireo, fa nangataka ny hekena ho ara-dalàna fotsiny, mba hahafahany hitory ny vaovao tsara amin-kalalahana. Tena nilaina maika izany, satria nampahory an’ireo rahalahy ny manam-pahefana, tany amin’ny toerana maro. Nodoran’izy ireo ny toeram-pivoriana. Nokapohina sy nosamborina ary nogadraina ireo rahalahy. Rehefa mba nitaraina tany amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana izy ireo, dia izao matetika no valin-teny azony: ‘Miala tsiny fa tsy afaka manampy anareo izahay, satria tsy voasoratra ara-panjakana ianareo.’

Nisy korontana maro koa tany ivelan’ny renivohitra. Tsy ny mpitondra tany amin’ny faritra rehetra mantsy no nankatò ny fahefan’ny governemanta. Nanaiky hanafaka an’ireo rahalahy nigadra, ohatra, ny manam-pahefana sasany, raha vao nahazo taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampana. Nahery vaika kosa ny fanenjehana tany amin’ny faritra hafa, ka tsy dia nisy azo natao loatra mba hiarovana an’ireo rahalahy tamin’ny fanenjehana sy ny fanagadrana.

Tsy tena mafy ny fanenjehana an’ireo Vavolombelona teto Kinshasa. Rehefa nisy fanambadiana na fandevenana ihany vao nanao fivoriambe ireo rahalahy, teo aloha. Nanapa-kevitra ny hanao fivoriamben’ny faritra roa teto an-drenivohitra anefa ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1964. Tena zava-baovao ho an’ny ankamaroan’ireo rahalahy izany. Nampiofanina mialoha izy ireo momba ny fanaovana lahateny sy ny fandaminana ireo sampan-draharaha amin’ny fivoriambe.

Nientam-po erỳ ireo rahalahy ka tsy niafinafina mihitsy niresaka momba ilay fivoriambe. Nanjary tonga tany am-poto-tsofin’ny governoran’i Léopoldville àry ilay izy. Tsy tia Vavolombelon’i Jehovah anefa ilay governora, ka nanomana taratasy hozaraina tamin’ireo manam-pahefana teo an-toerana. Voalaza tao amin’ilay taratasy, fa tokony hosamborina izay Vavolombelona tratra mitory na mivory. Kanjo Vavolombelona ilay mpiasa nasaina nanao pirinty an’ilay taratasy. Kely sisa ny taratasy fanaovana pirinty tao amin’ilay rahalahy, ary fantany fa lany ny tahirin-taratasin’i Léopoldville. Rehefa tonga haka ireo taratasy vita pirinty àry ny lehibeny, dia talantalana madiodio no nasehon’ilay Vavolombelona azy, satria lany ny taratasy!

Nivavaka mafy momba ilay toe-javatra koa ireo rahalahy, nandritra izany fotoana izany. Inona no nitranga? Nanapa-kevitra ny hamorona faritany vaovao ny governemanta, fa ny faritany niandraiketan’ilay mpanohitra kosa nofoanana! Maro ireo nitady hampijaly na handripaka ny vahoakan’Andriamanitra, tao anatin’ireo taona maro lasa. Nandamòka anefa ny tetika nataon’izy ireny.​—Isaia 54:17.

Nihamaro ireo misionera tonga

Nanararaotra nandefa misionera teto Congo ny fandaminana tamin’ireo taona 1960. Nasiana tranon’ny misionera kely iray teto Kinshasa. Tonga avy any Kanada i Julian sy Madeleine Kissel, tamin’ny Martsa 1964. Mbola manompo amim-pahatokiana eto amin’ny Betelan’i Kinshasa ihany izy ireo, 40 taona atỳ aoriana.

Manompo any an-tany hafa izao ny misionera sasany tonga teto tamin’ny faramparan’ireo taona 1960. Anisan’izy ireny i Stanley sy Bertha Boggus, izay voatendry hiasa teto Congo tamin’ny 1965, rehefa avy nanompo tany Haïti. Narary anefa ny Rahalahy Boggus, izay mpiandraikitra mpitety faritany, ka niverina tany Etazonia tamin’ny 1971. Tamin’ny faramparan’ny taona 1965 kosa no tonga teto Congo i Michael sy Barbara Pottage. Any amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne izy ireo izao. Voatendry hanompo teto i William sy Ann Smith tamin’ny 1966, ary i Katanga no faritany tena niasan’izy ireo. Nafindra tatsy Kenya izy ireo tamin’ny 1986, rehefa voarara ny asa. Mpiandraikitra mpitety faritany teto Congo i Manfred Tonak avy any Alemaina, izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-44 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Nafindra tatsy Kenya koa izy rehefa voarara ny asa. Mpandrindra ny Komitin’ny Sampana any Etiopia izy izao. Tonga teto Congo i Dayrell sy Susanne Sharp tamin’ny 1969, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-47 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Noroahin’ny fanjakana hiala teto Congo izy ireo, ka voatendry hankany Zambia, ary mbola manompo ao amin’ny Betelan’i Lusaka hatramin’izao. Nafindra tany Afrika Andrefana kosa ny misionera sasany. Anisan’izy ireny i Reinhardt sy Heidi Sperlich, izay maty tamin’ny lozam-piaramanidina. Nalahelo mafy ireo rehetra nahalala azy ireo.

Tamin’ny 1966 no nosokafana ny tranon’ny misionera tany Lubumbashi, any atsimoatsinanan’i Congo. Io no tranon’ny misionera voalohany tany ivelan’i Kinshasa, ary nasiana hafa koa tany Kolwezi, avaratrandrefan’i Lubumbashi, sy tany Kananga (Luluabourg taloha), faritanin’i Kasaï. Nanampy an’ireo rahalahy hampifanaraka ny fiainany tamin’ny fitsipiky ny Baiboly ireo misionera. Mbola nifankahala, ohatra, ireo rahalahy tsy nitovy foko tany Kasaï. Tsy anisan’ireo foko anefa ny misionera, ka mora taminy ny nampihavana ireo rahalahy, ary tsy nizaha tavan’olona izy ireo rehefa nisy raharaha ara-pitsarana.

Misionera 60 mahery no nanompo nanerana an’i Congo tamin’ny 1968 ka hatramin’ny 1986. Nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tany Etazonia ny sasany tamin’izy ireo, ary ny hafa kosa nanatrika ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada tany Alemaina. Nisy mpisava lalana miteny frantsay koa voatendry ho misionera, ary nalefa teto Congo. Nianatra ny fiteny teto an-toerana ny ankamaroan’izy ireo. Samy niezaka mafy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny olona izy rehetra.

Efitrano Fanjakana tamin’ireo taona 1960

Trano tsy misy rindrina matetika no nanaovana fivoriana tany amin’ireo tanàna lehibe kokoa. Mety tsara amin’ny toetrandro mafana ireny karazana trano ireny. Matetika no atao amin’ny takariva na vao maraina ny fivoriana, satria tsy dia mafana loatra ny andro amin’izay. Azo atao izany raha tsy avy ny orana. Matetika anefa no ahemotra ho amin’ny andro hafa ny fivoriana, rehefa fahavaratra.

Tamin’ny 1962 no notokanana ny Efitrano Fanjakana voalohany. Tany Kimbanseke, Kinshasa, no nisy azy io, ary ny iray tamin’ireo fiangonana enina nisy tamin’izany fotoana izany no nampiasa azy. Niezaka mafy ireo fiangonana teto Congo nanomboka tamin’izay, mba hanorina Efitrano Fanjakana. Nisy olana ara-panjakana anefa indraindray. Nisy rahalahy nanome ny taniny mba hanorenana Efitrano Fanjakana, nefa tsy nisy taratasy ara-dalàna momba izany. Rehefa maty ilay rahalahy, dia nalain’ny fianakaviany ilay efitrano sy izay rehetra tao anatiny. Tsy dia nisy azo natao loatra mba hisorohana an’izany. Rehefa nisy fandrarana tatỳ aoriana, dia efitrano maro no nalain’ireo manam-pahefana teo an-toerana, ka nampiasain’izy ireo. Tsy afaka nanorina Efitrano Fanjakana maro ireo rahalahy noho izany.

Efa betsaka anefa ny Efitrano Fanjakana nanerana an’ilay firenena. Trano tsotra ny ankamaroan’izy ireny, kanefa nahitana taratry ny finoana nananan’ireo nanorina azy. Izao no filazalazan’ny misionera ny endrik’ireny toeram-pivoriana ireny, tamin’ny faramparan’ireo taona 1960:

“Rehefa nankany amin’ny Efitrano Fanjakana tany Léopoldville izahay, dia nandalo teo anelanelana trano vita tamin’ny simenitra. Ankizy maro be no nanaraka anay. Nifefy tamboho simenitra ny tokotanin’ilay Efitrano Fanjakana. Tsy nisy rindrina ilay izy, ary rahalahy no nipetraka tao amin’ny trano teo akaikiny. Nianatra hiran’ilay Fanjakana ireo rahalahy. Nahafinaritra erỳ ny nihaino azy ireo nihira tamin’ny fony! Faly izahay satria nisy hazo nanaloka an’ilay efitrano, ka niaro tamin’ny hainandro. Antonona olona 200 teo ho eo ilay efitrano. Vita tamin’ny simenitra ny lampihazo, ary nisy tafo fanitso. Raha lava ilay mpandahateny, dia nety ho nila niondrika kely. Napetaka teo amin’ny tabilao ny taratasin’ny sampana sy ny anjara amin’ny fivoriana. Nisy latabatra ho an’ny boky sy gazety teo. Nasian’ireo rahalahy voninkazo ny sisin’ny lampihazo. Nampiasa jiro solitany ireo rahalahy, mba ho azo atao amin’ny hariva ny fivoriana. Rehefa hanainga izahay, dia mbola nanatitra anay hatreny amin’ny arabe ihany ireo ankizikely.”

“Nankany amin’ny faritra afovoan’i Congo indray izahay. Feno trano bongo ilay tanàna, nefa niavaka ny Efitrano Fanjakana. Andry hazo sivy no nanohana an’ilay efitrano, ary vita tamin’ny ravinkazo matevina ny tafony. Tsy nisy seza fa tamin’ny tany no nipetraka. Nisy tatatra maromaro kosa anefa nanaraka ny sakan’ilay efitrano, ka nahazo aina erỳ ny tongotra tao anatiny. Nisy sora-tanana hoe ‘Efitrano Fanjakana’ tamin’ny fiteny teo an-toerana teo ambonin’ilay lampihazo. Olona 30 teo ho eo no nanatrika, ary angamba ny antsasak’izay no mpitory. Vitsy ny hiran’ilay Fanjakana hain’izy ireo. Nafana fo anefa izy ireo na dia tsy tena nahay mozika aza, ka nihira tamin’ny fonay manontolo izahay rehetra.”

“Nankany amin’ny faritra avaratra indray izahay. Nijanona ilay Land Rover nitondra anay, ary nitazana an’ilay tanàna izahay. Nisy trano iray niavaka teo amin’ireo trano bongo maro nitangorongorona. Volotsangana matevina no natao rindrina. Nisy notapahina tamin’ireo volotsangana, mba hahazoana varavarankely sy varavarambe, ary bozaka no natao tafo. Nisy ahi-maitso voatapaka tsara teo anoloan’ilay efitrano, sady nisy lalan-kely. Nahitana soratra hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’ teo ambonin’ilay ahi-maitso. Nanaraka an’ilay lalan-kely izahay, ary tonga tao amin’ilay efitrano. Faly nandray anay ireo rahalahy. Dabilio no nipetrahana, ka volotsangana avokoa na ny teo ambony na ireo tongony nitsatoka tamin’ny tany. Soa ihany fa tsy tantera-drano mihitsy ilay tafo! Raha tsy izany mantsy dia nety ho tratran’ny rano ny volotsangana, ka hisy fakany sy haniry be, ary hisondrotra avo be ny dabilio, nefa tokony ho 30 santimetatra niala tamin’ny tany fotsiny! Napetaka tamin’ny tabilao ny fandaharam-pivoriana sy ny taratasin’ny sampana. Vakina volotsangana nofatorana tamin’ny zozoro no natao latabatra fizarana boky sy gazety.”

“Nanohy ny dia nianatsimo izahay, ary tonga tany Katanga talohan’ny hilentehan’ny masoandro. Nangatsiaka kokoa ny andro, ka nilaina ny nanao akanjo mafana. Niditra an’ilay tanàna izahay, ary nandre ny hiran’ireo rahalahy rehefa nanakaiky ny Efitrano Fanjakana. Tsy nanana famantaranandro ny ankamaroan’ireo rahalahy, ka tamin’ny alalan’ny masoandro fotsiny no namaritany ny fotoana handehanana hivory. Matetika no efa nanomboka nihira ireo tonga aloha tao amin’ny efitrano, mandra-pahatongan’ny ankamaroan’ny mpivory, ary avy eo dia nanomboka ny fivoriana. Nisisika nipetraka teo amin’ny vatan-kazo novakina, nasiana tongony roa, izahay. Lalimoara kely efa tranainy no fasiana boky sy gazety. Tsy azo tahirizina maharitra ao anefa izany, sao lanin’ny kadradraka sy vitsikazo ny taratasy. Rehefa tapitra ny fivoriana, dia nasain’ireo rahalahy nijery an’ilay efitrano izahay. Rantsankazo madinika nofatorana tamin’ny zozoro sy norakofana tanimanga no natao rindrina. Bozaka voafatotra tsara no natao tafo, ka tsy tantera-drano mihitsy.”

Miaro ny mpanompony i Jehovah

Betsaka ny ady an-trano sy ny herisetra nandritra ireo taona 1960. Olona maro no maty, ary mpanompon’i Jehovah ny sasany tamin’izy ireo. Nila finoana sy herim-po ireo rahalahy rehefa nanatrika fivoriana, satria noheverina ho fihaonana ara-politika izy ireny. Nisy miaramila nirongo fiadiana nanatona ny Efitrano Fanjakana nivorian’ireo rahalahy, tany amin’ny faritany manodidina ny ekoatera. Hitan’ireo miaramila anefa fa nivavaka ireo rahalahy fa tsy nanao fihaonana ara-politika. Lasa ireo miaramila, ary nilaza fa tsy manohitra ny fivavahana izy ireo, sady tsy manohitra an’Andriamanitra.

Indray mandeha, dia nosamborin’ny mpanohitra i Bernard Mayunga sy ny mpitory hafa tany Kisangani. Ny manam-pahefana teo an-toerana anefa no notadiavin’ireo mpanohitra ireo hovonoina. Rehefa nanontaniana i Bernard hoe inona no foko misy azy, dia namaly izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho.” Gaga ny filohan’ireo mpanohitra, ka nangataka fanazavana. Nitory taminy i Bernard, ka hoy ilay filohan’ny mpanohitra: “Tsy hisy mihitsy ny ady raha ohatra anareo daholo ny olona.” Nalefan’izy ireo i Bernard sy ny Vavolombelona nosamborina niaraka taminy.

Nekena ho ara-dalàna ihany ny Vavolombelon’i Jehovah!

Trano iray tao afovoan’i Kinshasa no nisy ny Betelan’i Congo hatramin’ny 1965. Tery kely ilay toerana. Efa hahatratra 4 000 anefa ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, ka nilaina ny trano lehibe kokoa. Niezaka nitady trano ireo rahalahy, ka nahita iray vao vita enin-taona lasa, teo amin’ny 764 Avenue des Elephants, Limete, eto Kinshasa. Nisy rihana iray ilay trano, ary nisy efitrano fandriana efatra. Niasa avy hatrany ireo rahalahy, ka novana ho birao ny efitra fandraisam-bahiny sy ny efitra fisakafoana tao ambany rihana. Ny garazy no natao fanatobiana entana sy fanaovana pirinty. Nitarina koa ilay trano tamin’ny 1972.

Niakatra teo amin’ny fitondrana i Joseph-Désiré Mobutu tamin’ny Novambra 1965, taorian’ny fanonganam-panjakana. Nangataka ny hekena ho ara-dalàna indray ny fikambanana, ary nanao sonia ny taratasy fanekena izany ny prezidà Mobutu, tamin’ny 9 Jona 1966. Nanana zo sy tombontsoa toy ny an’ireo fivavahana ara-dalàna rehetra teto Congo amin’izay ny vahoakan’i Jehovah. Tanteraka ihany izay notadiavin’ireo rahalahy sy nivavahany efa hatramin’ny 1932. Afaka nitory ampahibemaso sy nanao fivoriambe an-kalalahana izy ireo, ary afaka nividy tany sy nanamboatra trano. Enin-taona monja anefa no naharetan’izany fahalalahana izany.

Fitoriana lehibe ireo fivoriambe

Tena faly ireo rahalahy nanao fivoriamben’ny faritra satria efa nekena ho ara-dalàna! Nisy mpanatrika 11 214 tamin’ireo fivoriambe 11 natao voalohany, ary 465 no tontalin’ny natao batisa.

Nanjary nanohitra mafy anefa ny fivavahana teo an-toerana rehefa nahita ireo fivoriambe. Nihevitra ireo mpitarika fa ny fivavahan’izy ireo no tokony hanjaka eo amin’ilay faritra, ka nataony izay hisakanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ny fanoherany tany amin’ny ben’ny tanàna, ohatra, ireo mpitondra fivavahana tany Gandajika, faritanin’i Kasaï. Tsy nanaiky ny fampirisihan’izy ireo anefa ilay ben’ny tanàna, ka naniraka andiana tanora izy ireo mba handrava ilay fivoriambe. Nisy sarimihetsika ara-baiboly nalefa anefa teo amin’ilay fivoriambe, ary maro be ny olona tonga nijery an’ilay izy. Rehefa tonga teny àry ireo tanora saika handrava ilay fivoriambe, dia nipetraka koa mba hijery. Tena nahagaga azy ireo ny zavatra hitany. Isaky ny niova ny loha hevitra, dia nihiaka ireo mpanatrika an’arivo hoe: “Ho ela velona anie ny Vavolombelon’i Jehovah!”

Efa afaka nanao fivoriambe an-kalalahana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay, kanefa nila fanomanana be izany. Tsy maintsy nomanin’izy ireo ny fampisehoana tantara ara-baiboly sy ny akanjon’ireo mpilalao. Tsy maintsy nokarakaraina koa ny fanamafisam-peo. Vita anefa izany rehetra izany, satria nazoto niasa an-tsitrapo izy ireo, sady tia niana-javatra.

Eny an-dalana hamonjy fivoriambe

Nihamaro ny faritra teto Congo tamin’ny 1964, ka nahaforona vondrom-paritra roa. Nisy vondrom-paritra fahatelo koa tany Kasaï tamin’ny 1969, ary tamin’ny 1970 ny fahefatra. Ratsy ny lalana, ka sarotra tamin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy ny olon-kafa ny namonjy ny fivoriambe. Andeha hojerentsika ny zavatra hitan’i William Smith, mpiandraikitra ny vondrom-paritra iray, rehefa nandeha namonjy fivoriamben’ny faritra.

“Nisy oram-be nivatravatra tamin’izay, ary tondraka ny renirano. Nanainga hankany Kamina izahay, mba hanatrika fivoriamben’ny faritra. Tsy maintsy nandeha lalana 320 kilaometatra mahery izahay mba hahatongavana tany. Lasa feno fotaka ny lalana noho ilay oram-be, ary difotry ny rano mihitsy ny lalana sasany. Nisy lohasaha iray aza lasa toy ny farihy mihitsy. Nijanona daholo ny fiara sy kamiao, na an’olon-tsotra na an’ny fanjakana, mandra-paharitran’ny rano. Maro no nihevitra hoe mety haharitra tapa-bolana izany.”

“Fantatro fa tena naniry mafy hanatrika ilay fivoriambe ireo rahalahy. Nisy tamin’izy ireo nandeha an-tongotra nandritra ny andro maromaro mba hanatrehana izany. Nanontany àry aho raha nisy fomba azo andehanana teo amin’ilay lohasaha. Gaga aho rehefa nisy nilaza hoe nanamboatra lalan-kely ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalemy kely anefa ilay lalana, ka tsy navelan’izy ireo handehanan’ny olona ilay izy, raha tsy efa nandalo ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra hankany Kamina.”

“Niasa andro aman’alina ny rahalahy tao amin’ny tanàna roa, ary mbola niasa ihany ny ampitso, mba hanaovana lalan-kely vaovao, tsy mandalo eo amin’ilay lalana sarotra aleha indrindra. Tsy ela dia hitako ireo rahalahy, ary niomana aho hitondra ilay jipy teo amin’ilay lalana namboarin’izy ireo. Nitangorona ny olona mba hijery raha ho afaka ilay jipy. Raha vao nandeha kely fotsiny anefa ilay jipy dia nihitsoka tao anaty fotaka. Tena diso fanantenana izahay!”

“Tsy nihetsika mihitsy ilay jipy, na dia nanosika aza ireo rahalahy. Niasa mafy izy ireo, ary hita hoe kivikivy ny endriny. Tapa-kevitra ny hanao izay hahatongavan’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra tany amin’ny fivoriambe anefa izy ireo. Niverina teny amin’ny fiarany avy ireo mpitazana, satria nihevitra izy ireo hoe tsy nanampy akory ilay lalan-kely fa vao mainka aza nampidi-doza. Tapa-kevitra ny hanandrana indray anefa ireo rahalahy. Nesorin’izy ireo daholo aloha ny entana rehetra tao amin’ilay jipy, toy ny boky sy gazety, fanamafisam-peo, gropy, sy ny sisa. Nanala ny fotaka ireo rahalahy, sady nanosika. Nihodinkodina mafy ny kodiarana, ary nanomboka nandroso moramora ilay jipy.”

“Afaka soa aman-tsara tamin’ilay fotaka izahay rehefa afaka adiny iray. Naneho ny fifaliany ireo rahalahy, ka nihorakoraka sy nanao hiran’ilay Fanjakana. Vitan’ireo rahalahy ilay izy, na dia noheverin’ireo olona niandry tao anaty fiarany hoe tsy azo natao aza. Nizotra soa aman-tsara ilay fivoriambe noho ny asa mafy nataon’ireo rahalahy. Mitahy ny vahoakany tokoa i Jehovah, ary manampy azy ireo hanao ny sitrapony.”

Nanova zavatra ny fitondrana vaovao

Tsy mora ny nitory tamin’ireo olona nipetraka tany an’ala, satria niparitaka ny nisy azy ireo, sady nifanelanelana an’arivo kilaometatra. Nitory tany amin’ny tanàn-dehibe ny misionera, fa ireo mpisava lalana manokana avy eto an-toerana kosa nanokatra faritany tany ambanivohitra. Olona maro anefa no tsy nahay namaky teny sy nanoratra, ka sarotra ny nanorina fiangonana matanjaka ara-panahy. Tsy ela koa dia nisy fiantraikany teo amin’ireo rahalahy ny fiovana ara-politika teo amin’ny firenena.

Antoko politika iray ihany no nisy, nanomboka tamin’ny 1970. Antoko Mpanohana ny Tolom-bahoaka no niantsoana azy io, na hoe MPR (Mouvement Populaire de la Révolution). Ny hamerina ireo zavatra nampiavaka ilay firenena taloha no tena tanjon’io antoko io, ka anisan’izany ny famerenana ny anaran’ireo tanàna sy faritany taloha. Novana hoe Kisangani i Stanleyville, ary i Élisabethville nanjary nantsoina hoe Lubumbashi. Tamin’ny 1971, dia novana hoe Zaïre ny anarana hoe Congo, izay sady anaran’ilay firenena no anaran’ny renirano lehibe indrindra eto. Novana koa ny vola, ka tsy francs intsony, fa zaïres. Nasain’ny fanjakana nanova anarana ihany koa ny olona, ka nosoloana anarana tena afrikanina ireo anarana noheverin’ny olona ho kristianina. Voarara ny fanaovana karavato, satria fanaon’ny Eoropeanina izany. Nankatò tamim-panajana ireo rahalahy tamin’ireny lafiny ireny.—Matio 22:21.

Araka ny politika teo an-toerana, dia tsy maintsy mpikambana ao amin’ny antoko MPR ny olona rehetra teraka teto Congo. Nila nanana karatry ny antoko politika ny olona mba hahitana asa, hankanesana any an-tsekoly, na hivarotana eny an-tsena. Nantenaina hametaka famantarana ny antoko politika teny amin’ny akanjony koa ny olona, indrindra rehefa niditra biraom-panjakana. Niteraka zava-tsarotra ho an’ny vahoakan’i Jehovah izany. Voaroaka tamin’ny asany ireo rahalahy, ary tsy nahazo nankany an-tsekoly ny zanany.

Nahatakatra ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny manam-pahefana sasany. Nanontanian’ny minisitry ny atitany ny rahalahy iray niasa tao aminy, hoe nahoana izy no tsy nametaka famantarana ny antoko politika teny amin’ny akanjony. Nanazava ny antony ara-baiboly tsy nanaovany izany ilay rahalahy. Namaly ilay minisitra hoe: “Tsy haninona anareo izahay, satria fantatro tsara ianareo, kanefa tsy maintsy hila vaniny aminareo ireo tanora mpitolona.”

Nahazo fitarainana maro momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Prezidà Mobutu, ka voalaza fa niteny toy izao izy tamin’ny fivoriana iray: ‘Raha hahita olana aho indray andro any, dia tsy ho avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izany. Iza moa no namadika an’i Jesosy fa tsy i Jodasy, iray amin’ny mpianany ihany? Koa raha hisy hamadika aho, dia iray amin’ny olona miara-misakafo amiko ihany no hanao izany.’

Nitarina ny Betela

Nitsidika an’i Congo i Nathan Knorr, avy any amin’ny foibe any Brooklyn tamin’ny Janoary 1971. Anisan’ny zavatra nodinihina tamin’ny fitsidihany ny fanitarana ny Trano Betela sy ny toeram-piasana. Efa ho 14 000 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1970, ka 194 ny fiangonana ary 200 mahery ny antoko-mpitory. Tsy antonona intsony ny fanatobiana entana, satria nitombo foana ny boky sy gazety nilaina teto Congo. Tena faly ireo rahalahy rehefa nilaza ny Rahalahy Knorr fa hitarina ny Betela! Nanao planina ny mpanao mari-trano mba hanaovana trano maoderina vaovao iray misy rihana, ary avo roa heny noho ilay trano efa teo ny habeny. Nasiana birao lehibe sy fanatobiana entana malalaka, ary efitrano fandriana fanampiny ilay trano vaovao.

Nekena ireo planina tamin’ny Jona 1971, ary nanomboka ny fanorenana. Nirahina hiandraikitra ny fanorenana i Don Ward, avy any Dahomey (Bénin ankehitriny). Mpiasa an-tsitrapo maro avy amin’ireo fiangonana 39 teto Kinshasa no tonga nanampy, ka nahavita ilay asa. Ho hitantsika fa vao mainka nahatezitra ireo fivavahana anisan’ny Kristianisma Anarana ny fitomboana teny amin’ny saha sy ny fanitarana ny Betela.

Fotoana nilana herim-po sy fahamalinana ireo taona 1970

Namoaka lalàna ny fanjakana tamin’ny Desambra 1971, mba hamerana ny isan’ny fivavahana sy antokom-pinoana, satria be loatra izy ireny nanerana ilay firenena. Navoaka tamin’io lalàna io fa fivavahana telo ihany no nekena ho ara-dalàna, dia ny Eglizy Katolika, ny Protestanta, ary ny fiangonan’ireo mpanara-dia an’i Simon Kimbangu. Nekena ho ara-dalàna koa ny Silamo sy ny Ortodoksa Grika ary ny Jodaisma, tamin’ny 1972. Antokom-pivavahana madinika maro no nanasokajy ny tenany ho anisan’ny Protestanta.

Tsy nekena ho ara-dalàna àry ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 1971 ka hatramin’ny 1980, ka voafetra ihany ny asa azon’izy ireo natao. Na izany aza, dia tsy noroahina ny misionera, ary afaka niasa tamin-kalalahana ny Betela. Nakatona ny tranon’ny misionera iray tany Kananga, fa mbola nampiasaina kosa ireo tany Bukavu, Kisangani, Kolwezi, ary Lubumbashi. Tsy afaka nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra intsony ireo rahalahy. Nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana ihany anefa ny rahalahy, tany amin’ny faritra maro. Nanao fivoriamben’ny faritra kely izy ireo tany amin’ny efitrano lehibe kokoa. Niankina tamin’ireo mpitondra teo an-toerana ny fahafahan’ireo rahalahy. Nanohitra mafy ny manam-pahefana tany amin’ny toerana sasany, ka nenjehina sy nosamborina ireo rahalahy. Vavolombelona an-jato no nogadraina. Tsy hentitra loatra kosa ny mpitondra tany an-toeran-kafa, ka afaka nanompo an-kalalahana ireo rahalahy.

Sahy nitory foana ireo rahalahy na dia nenjehina aza. Nisy rahalahy telo sy anabavy iray nitory teny an-tsena. Nisy lehilahy roa nisambotra ny iray tamin’ireo rahalahy, izay nametraka boky tamin’ny olona liana. Nentin’izy ireo tany amin’ny foiben’ny antoko politika izy, ary navelany tao amin’ny efitra iray, mandra-pahatongan’ny filohan’ilay antoko. Rehefa niditra ny filohan’ilay antoko, dia nahita an’ilay rahalahy nanolotra ny boky Ahoana no Nampisy ny Olombelona: Evolisiona sa Famoronana? tamin’ny lehilahy niandry tao amin’ilay efitra.

Nanontany ilay filoha hoe: “Atỳ ve ianao no manao fampielezan-kevitra?”

Namaly ilay rahalahy hoe: “Raha misy manontany anao hoe ‘Ahoana no Nampisy ny Olombelona: Evolisiona sa Famoronana?’, dia inona no havalinao?”

Tsy namaly ilay filoha. Nitodika tany amin’ireo olona nisambotra an’ilay rahalahy izy, sady nanao hoe: “Avelao izy handeha, fa tsy manao ratsy izy.”

Niverina tany an-tsena ilay rahalahy, ary nanohy ny fitoriana. Nandalo ilay filoha taorian’izay, ka nahita azy. Nanondro an’ilay rahalahy ilay filoha, sady niteny tamin’ireo namany hoe: “Tena olona mahery fo mihitsy iny!”

Voatery niverina tany Belzika i Ernest Heuse, mpiandraikitra ny sampana, tamin’ny 1974, noho ny fampirisihan’ny dokoterany. Fivontosan’ny havokavoka no nahazo azy, ary vao mainka niharatsy ny fahasalamany satria voan’ny tazo matetika izy. Tian’ireo rahalahy ry Heuse mianakavy. Nandray anjara lehibe tamin’ny asa teto izy ireo. Nanohy ny fanompoana an i Jehovah tamim-pahatokiana izy ireo tany Belzika. Nodimandry tamin’ny 1986 i Ernest, ary maty i Hélène, valo taona taorian’izay. Nasaina niandraikitra ny asa teto Kinshasa i Timothy Holmes, izay efa misionera hatramin’ny 1966.

Nekena ho ara-dalàna indray ny Fikambanana tamin’ny 1980

Tamin’ny 30 Aprily 1980, dia nanaiky ny hanoratana ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny prezidàn’ny repoblika. Nihamaro ny olona liana tamin’ny fahamarinana, ka nahatratra 90 226 ny mpanatrika ny fahatsiarovana, ary 35 000 ny fampianarana Baiboly. Nisy tampon’isa vaovao foana tamin’ny isan’ny mpitory sy ny mpisava lalana. Nilaina ny tranon’ny sampana lehibe kokoa mba hisahanana tsara ny zavatra nilaina teny amin’ny saha. Faly àry ireo rahalahy rehefa neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hividianana tany, izay manana velarana avo roa sy sasany heny noho ny tanin’ny sampana. Nipoitra anefa ny zava-manahirana.

Tsy afaka nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra ireo rahalahy nandritra ny taona maro. Rehefa nomena fahalalahana àry izy ireo, dia nanomana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Fitiavan’Andriamanitra.” Fivoriambe dimy no natao nanerana an’i Congo tamin’ny 1980. Avy lavitra be ny solontena sasany. Fianakaviana maro no nandeha an-tongotra maherin’ny 400 kilaometatra. Avy any amin’ny faritra tena mitokana ny mpisava lalana manokana roa. Nandeha bisikileta nandritra ny tapa-bolana izy ireo, namakivaky lalana 700 kilaometatra, sady nandalo toerana feno fasika sy ala mikitroka. Nisy solontena koa avy any Congo (Brazzaville) sy Burundi ary Rwanda.

Tsy maintsy natao tany amin’ny toerana maro kokoa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra taorian’izay. Sahirana ara-bola mantsy ireo rahalahy, na dia nahazo fahalalahana aza. Maro no niady mafy vao nahita izay hohanina. Nisondrotra be ny vidin’entana, nefa kely ny karama. Tsy nahatakatra ny saran-dalana ny ankamaroan’ireo rahalahy raha lavitra ny toerana hanaovana fivoriambe. Niahy azy ireo àry ny sampana, ka natao tamin’ny toerana akaiky kokoa an’ireo rahalahy ny fivoriambe.

Maro ny vato misakana eny an-dalana, toy ny hazo mianjera, tetezana tapaka, toerana feno fasika, ary lavaka feno fotaka. Feno fahafoizan-tena ireo solontenan’ny sampana sy ny vadiny, rehefa namonjy an’ireny fivoriambe ireny. Kely anefa ny ezaka nataon’izy ireo raha oharina amin’ny an’ireo rahalahy teto an-toerana, izay matetika no nandeha an-tongotra nandritra ny andro maro, sy natory teny an-kalamanjana. Rahalahy maro no mbola mandeha an-tongotra 50 ka hatramin’ny 150 kilaometatra, rehefa hamonjy fivoriambe.

Tranon’ny misionera vaovao

Afaka niditra teto Congo ny misionera vaovao, rehefa nekena ho ara-dalàna ny Fikambanana tamin’ny 1980. Nisy tranon’ny misionera vaovao nosokafana tany Goma (faritanin’i Kivu), tamin’ny 1981. Nandritra ny roa taona taorian’izay, dia nasiana tranon’ny misionera koa tany Likasi (Katanga), Mbuji-Mayi (Kasaï), Kikwit (Bandundu), ary tao amin’ny tanànan’i Matadi (faritra atsimon’i Congo), izay toerana nisy seranan-tsambo. Nosokafana indray ireo tranon’ny misionera nakatona teo aloha. Ary farany, tamin’ny 1986, dia nasiana tranon’ny misionera vaovao koa tany Isiro (faritra atsinanana), ka nanjary 11 no tontalin’ny tranon’ny misionera nanerana an’i Congo. Natao toerana fanatobiana entana koa ireny trano ireny. Ny misionera no nampifandray ny sampana tamin’ny olona teny amin’ny saha. Nankasitrahan’ireo rahalahy sy anabavy ny fampaherezana sy fampiofanana azony avy tamin’ny misionera. Nahatratra 25 753 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1981, ary mbola nisy fitomboana be taorian’izay.

Tsy matahotra an’i Kimbilikiti ny Vavolombelon’i Jehovah

Kimbilikiti no anaran’ny fanahy ivavahan’ilay foko antsoina hoe Rega. Any amin’ny faritra afovoany atsinanana, izay toerana be ala, no misy an’io foko io. Mpihaza sy tantsaha ary mpanjono ny ankamaroan’ireo olona ireo. Misy heriny lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fivavahana amin’i Kimbilikiti. Be dia be ny zava-miafina amin’io fivavahana io, ary matahotra mafy an’ilay fanahy ny olona, ka manaraka izay rehetra lazain’ireo mpitarika.

Tsy matahotra an’i Kimbilikiti anefa ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io faritra io, satria fantatr’izy ireo fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina. Izy ireo ihany no tsy manaiky ny zavatra takin’ireo mpitondra fivavahana, toy ny fanaterana osy sy akoho hohanin’ireo mpitarika ireo.

Nanomboka nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivavaka tamin’i Kimbilikiti, tamin’ny 1978. Efitrano Fanjakana maro no nodoran’izy ireo. Noroahina hiala ny tranony ireo rahalahy, sady norobaina ny fananany. Nampiasa ody ratsy sy ozona famosaviana koa izy ireo, saingy tsy nandaitra tamin’ireo rahalahy izany. Tamin’ny 1983 anefa, dia nanao tetika nahatsiravina ireo mpivavaka ireo, ka rahalahy valo no novonoin’izy ireo tamin-kabibiana, teo akaikin’ny tanànan’i Pangi.

Nalahelo mafy ny fiangonana tamin’izany, indrindra fa ireo namoy vady na ray. Nanao fandaharana haingana ny sampana sy ireo rahalahy teo an-toerana, mba hanomezana fanampiana ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo fianakaviana niharam-boina.

Nanantena ny ho afaka madiodio ireo mpamono olona, tany amin’io toerana nitokana tany an’ala io. Nosamborina anefa izy ireo tamin’ny farany, ary notsaraina tao amin’ny fivondronan’i Kindu. Nilaza ireo voampanga fa ilay fanahy antsoina hoe Kimbilikiti no nanosika azy ireo hamono olona. Nampiharihary ny marina anefa ny mpampanoa lalàna, ka nilaza hoe: “Nisy [olona tamin’ny fokon’ny Rega] nivavaka tamin’i Kimbilikiti taloha. Nahalala tsiambaratelo izy ireo, nefa lasa Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana. Namboraka ilay tsiambaratelo àry izy ireo, indrindra fa ilay hoe tsy misy akory ilay fanahy atao hoe Kimbilikiti. Nahariharin’izy ireo àry fa mody natao hoe ilay fanahy no nangataka ireo zavatra natao fanatitra. Nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nisoloky fotsiny ireo lehilahy nitarika an’ilay fivavahana.”

Hita àry fa tsy ilay fanahy antsoina hoe Kimbilikiti no meloka, fa ireo olona voampanga. Namoaka didy ny fitsarana ambony tany Bukavu, ka voaheloka ho faty ireo mpamono olona. Nampitandrina ny mpampanoa lalàna fa hiharan’ny sazy ireo mpivavaka amin’i Kimbilikiti, raha mbola mampijaly ny Vavolombelon’i Jehovah. *

Mbola nisy fanoherana nitranga ihany taorian’izay, kanefa fantatr’ireo mpivavaka ireo fa sady tsy afaka manafina ny zavatra ataony any anaty ala izy ireo, no tsy afaka manantena an’i Kimbilikiti, izay tsy tena misy akory, mba hiaro azy. Miezaka hatrany koa ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy ny olona hiala amin’io fivavahana io, ary mitahy ny ezaka ataony i Jehovah. Mpitory be zotom-po maherin’ny 300 izao no manompo any amin’io faritra io. Tia an’i Jehovah izy ireo, fa tsy matahotra an’i Kimbilikiti.

Voarara ny asa

Niroborobo ny asan’ilay Fanjakana teto Congo tamin’ny 1985. Natomboka ny fanorenana ny Betela, teo amin’ilay tany novidina tamin’ny 1980. Mpiasa an-tsitrapo vahiny 60 no nanampy tamin’izany. Efa ho 35 000 ny mpitory tamin’io taom-panompoana io, ary nahatratra tampon’isa vaovao ny mpisava lalana. Misionera 60 no nanompo nanerana ilay firenena. Nampiofana ny anti-panahy sy mpisava lalana koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Nantenaina àry ny hisian’ny fitomboana be.

Nisy tsy faly anefa rehefa nandroso ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana ireo mpanao politika mba hanakantsakana ny asan’ireo rahalahy. Namoaka didy nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Prezidà Mobutu, tamin’ny 12 Martsa 1986. Nambara tao amin’ny radiom-pirenena ilay fandrarana ny ampitso. Hoy ilay mpiasan’ny radio: “Tsy handre momba ny Vavolombelon’i Jehovah intsony isika eto [Congo] manomboka izao.” Diso hevitra anefa izy!

Naverina tao amin’ny Betela ny misionera efatra nanao ny asan’ny vondrom-paritra, ary rahalahy teto an-toerana no notendrena hisolo azy ireo. Tsy nahazo nitory ampahibemaso intsony ny misionera, ka toy ny hoe nigadra tao an-trano izy ireo. Malina tsara ireo rahalahy rehefa nitory. (Matio 10:16) Nampalahelo anefa fa olona liana maro no natahotra ka tsy nianatra Baiboly intsony. Nakatona ny Efitrano Fanjakana sasany, ary nisy aza noravana mihitsy. Ny hafa kosa nalain’ny antoko politika. Tsy maintsy nizara ho antokon’olona vitsivitsy ireo rahalahy rehefa nivory. Nosamborina tany an-tranony tamin’ny alina ny sasany, ary norobaina ny fananany.

Vavolombelona maro no nokapohina sy nogadraina, tany amin’ny faritany manodidina ny ekoatera. Nisy mpisava lalana manokana nokapohina mafy sy nogadraina nandritra ny telo volana. Ilay filazana tamin’ny radio no nahatonga izany rehetra izany. Mbola tsy nisy lalàna ofisialy navoaka anefa tamin’izay mba hampiharana ilay fandrarana. Nampakatra fitsarana ambony ireo rahalahy taoriana kelin’ilay filazana tamin’ny radio, saingy tsy nahazo valiny. Nanao kabary ho an’ny vahoaka ny filoham-pirenena tamin’ny Jona 1986, ka nilaza fa tsy tia tanindrazana sy tsy manaja fahefana ny Vavolombelona.

Niova tampoka teo ny tarehin-javatra! Nanjary tsy nohajain’ny olona intsony ny Vavolombelon’i Jehovah. Nijanona ny fanorenana ny tranon’ny sampana, ary nangina ilay toeram-panorenana feno olona falifaly. Voatery nandao an’ilay firenena ireo mpiasa an-tsitrapo vahiny, ary namidy ny fitaovana. Rahalahy 20 teo ho eo no niambina ilay toerana.

Nanoratra taratasy koa ny lehiben’ny polisy tamin’ny 26 Jona 1986, ka nilaza fa tsy maintsy niala teto Congo ny misionera rehetra. Tsy nitovy tamin’ilay fandrarana tamin’ny 1972 ity fandrarana ity, satria mbola afaka nijanona ihany ireo misionera tamin’izany. Nampalahelo erỳ ny nahita ireo misionera nitondra ny entany teo amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana! Misionera 23 no lasa tany an-tany hafa tamin’ny volana Jolay. Ireo nanao vakansy tany ivelany kosa tsy afaka niverina intsony. Voasedra ny finoan’ireo rahalahy teto Congo taorian’izay.

Natao tamim-piafenana indray ny asa

Diso hevitra ireo mpanohitra raha nanantena ny hanakivy na hanafoana ny mpanompon’i Jehovah. Tsy fantatr’izy ireo ny herin’ny fanahy masina. Tsy fantany koa fa tena tapa-kevitra ny tsy hivadika ny vahoakan’i Jehovah. Nisy misionera efa za-draharaha vitsivitsy nanao izay hijanonana teto Congo. Nizarazara tamin’ny trano samihafa ireo mpiasan’ny sampana nanara-maso ny fitoriana ilay Fanjakana. Trano tsotra ihany koa no nanaovana ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana nanerana ilay firenena.

Ampy foana ny sakafo ara-panahy. Nanao pirinty boky sy gazety ireo rahalahy, ary nizara izany hatrany. Nalefan’ny sampana tany amin’ny fiangonana ny drafitry ny lahatenin’ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra, ka natao toy ny lahateny tsotra. Rehefa nitsidika fiangonana ny mpiandraikitra ny faritra, dia nandefa ny kasetin’ny fampisehoana tantara ho an’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’ny fiteny teo an-toerana. Izany no natao nanomboka tamin’ny 1986 ka hatramin’ny fotoana nanesorana ny fandrarana. Nitaky asa be izany, kanefa tena nahasoa an’ireo rahalahy.

Niezaka nanazava tamin’ny manam-pahefana foana ny anti-panahy hoe tsy mandray anjara amin’ny politika ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy hoe mikomy amin’ny fitondrana akory. Olona maro àry no nanjary nahalala ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany, ka anisan’izany ireo olona ambony teo amin’ny firenena. Vahoaka niavaka ny mpanompon’i Jehovah, satria tsy nandray anjara tamin’ny politika mihitsy izy ireo, kanefa tia fihavanana sy nankatò fahefana.

Fitomboana taorian’ny fihenana kely

Nisy fihenana 6 isan-jato ny isan’ny mpitory, araka ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny 1987. Natahotra ny sasany, ka nanafina ny hoe anisan’ilay fivavahana voarara. Nisy fanenjehana mafy tany amin’ny faritra maro.

Tsy nahomby anefa ny fanoherana indraindray. Namory vahoaka, ohatra, ny prezidàn’ny fokontany iray, mba hanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasehony tamin’ny olona ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary nilaza izy fa tokony hosamborina izay rehetra mizara an’io boky io. Nangataka hijery an’ilay boky ny olona, mba hahita tsara an’ilay izy. Tian’ny olona anefa ilay boky, ka nangataka hahazo izany tamin’ilay mpisava lalana manokana, teo amin’ny fokontany teo akaikiny, ny sasany tamin’izy ireo. Hoy ilay mpisava lalana: “Nanomboka fampianarana Baiboly folo aho. Mbola tsy nitory tao amin’io fokontany io mihitsy aho. Tsy ho nahafantatra ny fahamarinana mihitsy ireny olona ireny, raha tsy nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah ilay prezidà!”

Niezaka nizatra tamin’ny zava-nisy ireo rahalahy. Tsy afaka nanao zavatra betsaka izy ireo, kanefa ‘tsy hoe tery loatra ka tsy afa-nihetsika.’ (2 Kor. 4:8) Nitombo 7 isan-jato ny mpitory tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1988. Fampianarana Baiboly 60 000 no notarihina. Nitsidika ny fiangonana tany amin’ireo tanàn-dehibe ny solontenan’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana teto amin’ny Betela. Nampahery an’ireo rahalahy izy ireo, sady nihaona tamin’ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra mpitety faritany. Ny biraon’ny sampana teto koa no nanara-maso ny asa tany Burundi, sy ny tatsy Congo (Brazzaville), izay nisy fandrarana ihany koa.

Tsy nanaiky hanao fianianana ara-politika ny rahalahy talen’ny sekoly iray tao Kolwezi. Nokapohina mafy izy vokatr’izany. Nalefa tany Lubumbashi izy taorian’izay, ary nihevitra ireo mpanohitra fa hovonoina izy rehefa tonga any. Nanazava tamim-pahatoniana ny antony tsy nanaovany politika ilay rahalahy. Afaka madiodio izy, ary naverina tany Kolwezi. Nasaina niala tsiny taminy mihitsy aza ireo nikapoka azy! Naverina tao amin’ilay sekoly indray izy, ary nahazo fisondrotana tamin’ny asany!

Nalain’ireo manam-pahefana ny toeram-panorenana ny Betela teto Kinshasa sy ireo boky maro be, tamin’ny Oktobra 1988. Matetika no nangalatra boky sy Baiboly tamin’ny baoritra ny miaramila, ary nivarotra izany teny an-tsena. Novidin’ny olona ireny boky ireny, ka afaka nanomboka fampianarana Baiboly avy hatrany ny mpitory. *

Nahatratra 40 707 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1989, na dia teo aza ny fandrarana. Naharomotra an’ireo fahavalon’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Mpiaro ny tombontsoan’ny Eglizy Katolika ilay minisitry ny fitsarana tamin’izany fotoana izany. Nandefa taratasy tany amin’ny mpampanoa lalàna rehetra teto Congo izy, ary nilaza fa very hevitra ny tenany satria nitohy hatrany ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Nampirisihiny ny olona mba hanenjika ny Vavolombelona sy hanakatona ireo Efitrano Fanjakana. Nanao kabary ho an’ny mpitondra fivavahana izy tatỳ aoriana, ka nolazainy fa “tena demony” mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Niteraka fanenjehana izany, tao amin’ny faritanin’ilay minisitra tany Bandundu.

Ankizy nampidirina am-ponja

Tamin’izany fotoana izany, dia nampidirina am-ponja ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah sasany, satria tsy nanaiky handray anjara tamin’ny fihetsiketsehana ara-politika. Nosamborina ny ankizilahy roa, ary nogadraina niaraka taminy koa ny rainy. Tsy navela hanome sakafo azy ireo ny mpiambina ny fonja. Gaga ny mpiambina iray, ka niteny hoe: “Misy mpamono olona sy mpangalatra ato, nefa omena sakafo. Koa maninona izy telo mianaka no tsy omena sakafo?” Tsy nahazo valin-teny nahafa-po ilay mpiambina, ka izy mihitsy no nanome sakafo ho azy telo mianaka. Nijanona 7 andro tao am-ponja ilay rainy, izay mpisava lalana manokana, fa ny azy roa lahy kosa 11 andro. Tsy nahakivy azy ireo mihitsy anefa izany fisedrana izany.

Nosamborina ny lehilahy iray tsy Vavolombelona, tany Kikwit, taorian’ny nampidirana am-ponja ny vadiny sy ny zanany vavy roa. Nasain’ny manam-pahefana nandeha ilay lehilahy rehefa fantany fa tsy nitovy finoana tamin’ny vadiny. Tsy nety nandao ny vady aman-janany anefa izy. Nafahana ihany izy mianakavy tatỳ aoriana. Nanomboka nianatra Baiboly ilay lehilahy, ary natao batisa. Efa anti-panahy izy izao.

Korontana nanerana ny firenena

Nikomy tamin’ny fitondrana ny miaramila teto Kinshasa tamin’ny Septambra 1991. Nahazo vahana ny fandrobana fananan’olona taorian’izay. Nanjary tena sarotra ny nahita sakafo sy solika, nitombo ireo tsy an’asa, ary nisondrotra be ny vidim-piainana. Nandefa fanampiana àry ny sampan’i Afrika Atsimo sy Frantsa.

Sady niatrika ny olana teo an-toerana ny sampan’i Congo, no nikarakara ireo mpitsoa-ponenana avy any Angola sy Soudan. Nitsidika an’ireo rahalahy mpitsoa-ponenana avy any Soudan tany avaratratsinanan’i Congo i Zekaria Belemo, mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany fotoana izany. Nanao lahateny tamin’ny teny anglisy izy na dia tsy nahay tsara aza, ary nadika tamin’ny teny arabo ilay lahateniny. Nanontany tena i Zekaria raha mba nahazo ny ankamaroan’ny zavatra nolazainy ireo rahalahy. Nisy tovolahy roa nitsidika Betela, dimy taona taorian’izay, ary nilaza taminy hoe: “Tadidinao ve izahay? Anisan’ireo nihaino ny lahateninao tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana izahay. Tena narahinay ny torohevitrao, ka nanomboka nianatra Baiboly izahay.” Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo tatỳ aoriana.

Mbola olana teto amin’ny firenena ihany ny adim-poko. Olona maro no niala tany Kasaï, ka nianatsimo nankany Katanga. Noroahin’ny mponin’i Katanga indray anefa izy ireo tamin’ny 1992 sy 1993. Maro tamin’ireo olona avy any Kasaï no voatery nandao ny asany sy ny fananany ary ny tranony. Nandositra tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana izy ireo, na tany an-toeran-kafa nahitany fialofana. Olona maherin’ny 100 000 no niverina tany Kasaï, ary Vavolombelon’i Jehovah ny 4 000 tamin’ireo. Nahantra ireo Vavolombelona nipetraka teo amin’ny manodidina, sady sarotra ny nahita sakafo, kanefa nanao izay vitany izy ireo mba hanampiana ireo rahalahiny. Naniraka rahalahy ny fiangonana teo amoron’ny lalam-be avy any Katanga, mba hitsena izay Vavolombelona tonga tamin’ny kamiao. Nahazo fikarakarana ireo rahalahy tonga.

Nandefa kamiao maro misy sakafo sy fanafody ny sampan’i Afrika Atsimo, ho an’ireo rahalahy tsy nanan-kialofana. Namonjy ain’olona maro ireny fanampiana ireny. Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nividy sakafo sy fanafody ary lapelina sy angady ho an’ireo fianakaviana tonga tany Kasaï koa ireo rahalahy teto Kinshasa, mba hahafahan’izy ireo hamboly.

Fiovana hafa

Nanao kabary sy valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny filoham-pirenena tamin’ny 24 Aprily 1990. Nanova ny fandraisan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Mpanao gazety avy eto an-toerana sy avy any ivelany no nanatrika teo. Nambaran’ny filoham-pirenena fa manaja ireo fahalalahana amin’ny ankapobeny ny fitondrana, ka tafiditra amin’izany ny lafiny fampahalalam-baovao sy fivavahana. Nalalaka kokoa àry ny fitoriana sy ny fivoriana, ary nafahana ireo Vavolombelona nigadra.

Tadidinao ve ilay mpiasan’ny radio tamin’ny 1986, izay nilaza fa tsy handre momba ny Vavolombelon’i Jehovah intsony ny mponin’i Congo? Voaporofo fa diso ny teniny. Nisy 34 207 ny mpitory teto Congo tamin’ny 1986, fony vao nanomboka ilay fandrarana. Lasa 50 677 anefa ny isan’ny mpitory tamin’ny faramparan’ny taom-panompoana 1990, ary 156 590 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Nitombo ny voan’ilay Fanjakana, na dia teo aza ny fanoherana, fanendrikendrehana, fanenjehana, ary ny fahatezeran’ireo mpitondra fivavahana sy manam-pahefana. Rehefa niala teo amin’ny fitondrana ny Filoha Mobutu tamin’ny 1997, dia tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no voatery nandositra, fa ilay mpiasan’ny radio.

Nahazo fahalalahana indray

Noho ilay didy navoakan’ny filoham-pirenena tamin’ny 1986, dia voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, ary nofoanana ny fikambanany. Namoaka didim-pitsarana anefa ny Fitsarana Tampon’i Zaïre (Congo), momba ilay raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah miady amin’ny Repoblikan’i Zaïre, tamin’ny 8 Janoary 1993. Nambara fa tsy marim-pototra ilay didy navoakan’ny filoham-pirenena, ka tsy nanan-kery intsony. Tena nahafaly an’ireo rahalahy izany!

Niteraka adihevitra anefa ilay didim-pitsarana. Lalàm-panorenan’ny fitondrana tetezamita, izay tsy neken’ny filoha sy ny mpanohana azy, mantsy no nampiharin’ny Fitsarana Tampony. Nisy kosa nihevitra fa modely ho an’ny fitsarana ho avy iny didim-pitsarana iny. Tsy niandany na tamin’iza na tamin’iza ny Vavolombelona, kanefa fitoriana lehibe no vita tamin’izany, ka nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah! Gazety maro be no niresaka an’iny raharaham-pitsarana nanan-tantara iny. Nambaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ireo filoham-paritany koa fa afaka mivory sy mitory an-kalalahana indray ny Vavolombelon’i Jehovah. Fandresena lehibe tokoa izany ho an’ny vahoakan’i Jehovah sy ny fivavahana marina!

Sarotra ny fandefasana entana teto Congo

Firenena lehibe i Congo. Tany avokoa ny manodidina azy, afa-tsy ny morontsiraka kely any atsimoandrefana. Any amin’ny seranan’i Matadi no miantsona ny ankamaroan’ireo sambo lehibe mpitondra entana. Misy lalamby sy arabe iray mampitohy an’i Matadi sy ny renivohitra, izay mielanelana 300 kilaometatra eo ho eo.

Nandefa kamiao afaka mandeha lalan-dratsy ho an’ny sampan’i Congo ny Betela sasany tany Eoropa. Nety tsara ho an’ny fandefasana entana sy ny fanorenana izy ireny. Tao Matadi no nasian’ny Betela ny fanatobiana entana, nanomboka tamin’ny 1999. Tena nanampy izany satria azo nampidinina tamin’ny sambo avy hatrany ireo boky sy gazety. Napetraka tao amin’ny fanatobiana entana izy ireny, mandra-pahatongan’ny kamiao avy any amin’ny sampana hitondra izany eto Kinshasa.

Tamin’ireo taona 1980, dia mbola nisy lalana niainga teto Kinshasa nankany Lubumbashi, ary nandalo teo amin’ny tranon’ny misionera sady fametrahana entana tany Kananga sy Mbuji-Mayi. Adiny roa eo ho eo no anaovan’ny fiaramanidina an’i Kinshasa mankany Lubumbashi, fa tapa-bolana kosa raha kamiao mitondra entana! Simba anefa ny lalana tatỳ aoriana, ka tsy azo nandehanana intsony. Misy ihany renirano an’arivo kilaometatra azon’ny sambo andehanana, saingy tsy azo antoka ny sambo miala eto Kinshasa. Vao mainka koa voafetra ny faritra azon’ny fiaran’ny Betela aleha, noho ny korontana ara-politika amin’ny faritra maro. Tsy maintsy nalefa fiaramanidina àry ireo boky sy gazety ho an’ny faritra lavitra.

Nanampy koa ny sampana hafa tamin’ny fanomezana boky sy gazety an’ireo rahalahy. Ny sampan’i Cameroun, ohatra, no nitatitra ireo boky sy gazety tamin’ny kamiao, namakivaky ny République centrafricaine nankany amin’ny faritra avaratr’i Congo. Ny sampan’i Rwanda sy Kenya no nikarakara ny faritra atsinanan’i Congo. Ny sampan’i Afrika Atsimo sy Zambia kosa no nandefa boky sy gazety ho an’ny fiangonana sasany tany atsimo.

Nampandroso ny asa fitoriana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

Natao teto Kinshasa ny kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tamin’ny 1995. Rahalahy maherin’ny 400, tamin’ny kilasy 16, no efa nahazo fampiofanana hatramin’ny Aprily 2003. Lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra ny dimy tamin’ireo mpianatra, 60 mahery no manao ny asan’ny faritra, ary 50 mahery no voatendry ho mpisava lalana manokana. Tena mandrisika ny mpitory hazoto amin’ny fanompoana ireny rahalahy ireny.

Tsy mora ho an’ny sasany anefa ny nanatrika an’ilay sekoly. Ohatra amin’izany i Georges Mutombo. Tafika nikomy tamin’ny fitondrana no nifehy ny tanànany, tamin’izy naharay ny taratasy fiantsoana hanatrika ilay sekoly. Tsy maintsy nandeha bisikileta 400 kilaometatra nankany Kamina izy aloha, vao nandray fiaramanidina hankany Kinshasa, hanatrika ilay sekoly. Naharitra telo andro ny dia nataony, nefa avy ny orana. Tsy maintsy nandalo toeram-pisavana 16 sy faritra nampidi-doza koa izy. Nisy andian-jiolahy nitaingina bisikileta nanenjika azy. Voatery nijanona anefa izy ireo, satria vaky pne ilay bisikileta teny aloha indrindra. Fantatr’ireo jiolahy avy eo fa Vavolombelona i Georges. Niantsoantso àry izy ireo hoe tsy hanenjika azy intsony, satria hitan’izy ireo fa i Jehovah Andriamaniny no miaro an’i Georges.

Fanitarana ny tranon’ny sampana

Teo amin’ny 764 Avenue des Elephants, Limete, Kinshasa no nisy ny tranon’ny sampana, nanomboka tamin’ny 1965. Nisy tany novidina tamin’ny 1991, teo amin’ny faritra be orinasa teto an-drenivohitra. Trano telo no teo amin’io tany io, izay nisy orinasa fanamboarana lamba tamin’ny voalohany, ary lasa toerana fanamboarana entana simba tatỳ aoriana. Nohavaozina ireo trano ireo, ka tao avokoa no natao ny asan’ny sampana rehetra. Nitarazoka ilay asa noho ny korontana ara-politika, nefa nanomboka ny fanamboarana ilay trano Betela vaovao, rehefa tonga ireo mpanompo iraisam-pirenena tamin’ny 1993. Niala tany amin’ny Avenue des Elephants àry ny mpiasan’ny Betela tamin’ny Aprily 1996, ary nifindra tao amin’ireo trano vaovao. Hoy ny anti-panahin’ny Betela iray taorian’izany: “Tafaray indray ny fianakavian’ny Betela ankehitriny, toy ny tamin’ny folo taona lasa, talohan’ny nandrarana ny asantsika. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fandaminany isika, noho ireto trano tsara tarehy ireto.” Nahatratra 100 000 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny Oktobra 1996. Mbola nanantena fitomboana be anefa ireo rahalahy.

Fanampian’ny misionera

Azo natao indray ny nampiditra misionera vaovao teto Congo tamin’ireo taona 1990, mba hanampy an’ireo misionera fito, izay afaka nijanona teto nandritra ny fandrarana. Voatendry hiasa teto i Sébastien Johnson sy Gisela vadiny, avy any Sénégal, tamin’ny Jolay 1995. Nisy misionera hafa koa tonga taoriana kelin’izay. Avy nanatrika ny sekolin’i Gileada tany Etazonia ny sasany, ary avy any Grande-Bretagne sy Belzika ary Frantsa kosa ny hafa. Tonga avy any Guyane i Christian sy Juliette Belotti, tamin’ny Martsa 1998. Tonga avy any Sénégal kosa i Peter Wilhjelm sy Anna-Lise vadiny, tamin’ny Janoary 1999. Nisy misionera hafa avy any Cameroun sy Mali ary Sénégal koa tonga teto Congo tatỳ aoriana.

Nisy tranona misionera vaovao nosokafana teto Kinshasa tamin’ny Desambra 1999. Misionera 12 no mipetraka ao. Nampiasaina foana ilay tranon’ny misionera tany Lubumbashi, nanomboka tamin’ny 1965. Nasiana tranon’ny misionera faharoa tany, tamin’ny 2003. Mpivady efatra izao no mipetraka ao amin’io trano io. Nasiana tranona misionera vaovao koa tany Goma, any amin’ny faritra atsinanana, tamin’ny Mey 2002. Misionera efatra no notendrena hipetraka any. Tombontsoa lehibe ny manana misionera eto amin’ity faritany midadasika sady mamokatra ity.

Kristianina tsy nivadika nandritra ny ady

Nisy fiovana be teto Congo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny ankamaroan’ireny misionera ireny. Nipoaka ny ady tamin’ny Oktobra 1996. Nanomboka tany atsinanana ilay izy, ary tsy ela dia tonga hatrany amin’ny faritra maro. Ny hanongana ny Filoha Mobutu no tanjona tamin’ilay ady. Niditra teto Kinshasa ny tafika notarihin’i Laurent-Désiré Kabila tamin’ny 17 Mey 1997, ary lasa filoham-pirenena izy.

Kivy ny olona naneran-tany rehefa nijery tamin’ny televiziona ny fahorian’ireo mpitsoa-ponenana mosarena sy narary. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa nitory hatrany ny hafatra manome fanantenana sy fampiononana avy ao amin’ny Baiboly. Mampalahelo fa an’arivo no maty nandritra ilay ady, anisan’izany ny Vavolombelona 50. Olona maro koa no matin’ny kôlerà sy aretina hafa naterak’ilay ady.

Tsy nanana kara-panondro ny ankamaroan’ny olona, vokatr’ilay ady. Nahatonga zava-manahirana ho an’ireo rahalahy nandeha nitory lavitra izany. Betsaka ny toeram-pisavan’ny miaramila teny an-dalana. Tsy nanana kara-panondro ireo mpitory tao amin’ny fiangonana iray, ka nanoro hevitra azy ireo ny anti-panahy mba hampiseho ny karatra momba ny ra. Nanaraka izany torohevitra izany ireo rahalahy. Rehefa nosavaina izy ireo indray mandeha, dia hoy ny miaramila: “Tsy ity no tadiavinay fa kara-panondrom-pirenena!”

Namaly ireo rahalahy hoe: “Ity no karatra manamarina fa Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Navelan’ny miaramila handeha àry izy ireo.

Nisy rahalahy tanora efatra nosamborin’ny mpikarama an’ady tany Kisangani. Nampangaina ho mpitsikilon’ny fahavalo izy ireo. Naka voafonja folo isa-maraina ireo mpikarama an’ady, ary nitondra azy ireo tany anaty ala sy namono azy ireo. Nentina niaraka tamin’ny voafonja valo hafa ny rahalahy roa indray maraina. Nizotra nankany anaty ala izy ireo. Nisy fatin’olona hita anefa teny an-dalana, ka nijanona ilay kamiao. Nasain’ireo mpikarama an’ady nandevina ilay izy ireo rahalahy roa. Lasa ilay kamiao, fa izy roa lahy kosa niandry teo ihany rehefa vita izay nampanaovina azy. Afaka nandositra izy ireo, saingy naleony nijanona sao hampidi-doza ny ain’ireo rahalahy roa tany amin’ilay fonja. Niverina ilay kamiao, ary tsy tao intsony ireo voafonja valo, fa efa notifirina. Rehefa tafaverina izy ireo, dia gaga ny olona nahita fa mbola velona ireo Vavolombelona roa. Tsy ela taorian’izay, dia nisy nanapoaka ny varavaran’ilay fonja, satria tafakatra teo amin’ilay tanàna ny mpanohitra. Nandositra ireo mpikarama an’ady, ary nafahana ireo rahalahy.

Fanampiana avy any Eoropa nandritra ny fotoan-tsarotra

Saiky efa nisy ady avokoa ny faritra rehetra teto Congo nanomboka tamin’ny 1996, ary olona maro be no nifindra monina. Vavolombelona an’arivo no nandositra tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Tanzania sy Zambia. Nihamaro ireo faritra lasan’ny mpanohitra, ka sarotra ho an’ny sampana ny nifandray tamin’ireo rahalahy tany amin’ireny toerana ireny, sy nikarakara azy ireo. Nisy komity natsangana tany amin’ireo tanàn-dehibe mba hizara ny fanampiana. Tena nahafoy tena ireo mpianakavin’ny Betela, ka niasa hatramin’ny alina be mba hizarana ireo fanampiana. Nandefa sakafo sy fitafiana ary fanafody maro be ho an’i Congo ny Vavolombelona tany Belzika sy Frantsa ary Soisa. Nandefa kiraro ho an’olona 18 500 sy bodofotsy 1 000 koa izy ireo. Nitohy ilay fanampiana, ka olona maro no nahatsiaro ho maivamaivana. Nandray soa tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa.

Nisy lahatsoratra an-gazety navoaka teto Kinshasa tamin’ny Oktobra 1998. Hoy izy io: “Niara-nientana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny tany maro any Eoropa, ka nanangona fanampiana mihoatra ny 400 taonina, ho an’i Congo-Kinshasa sy Congo-Brazzaville. Mpiasa an-tsitrapo avy any Angletera sy Frantsa ary Soisa no nandefa vary, vovo-dronono, tsaramaso, ary mofo misy vitaminina milanja 37 taonina ho an’i Kinshasa. Nalefa tamin’ny fiaramanidina avy tany Ostend, any Belzika, ilay entana, ary tonga tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Kinshasa. Mbola misy fiaramanidina iray . . . ho tonga . . . hitondra sakafo 38 taonina.”

“Tsara homarihina fa efa nanampy an’ireo mpitsoa-ponenana tany Afrika Atsinanana koa ny Vavolombelon’i Jehovah, hatramin’ilay fandripahana foko tatsy Rwanda. . . . Nambaran’ny mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa natao hiadiana tamin’ny fihanahan’ny kôlerà ireo sakafo sy fanafody maherin’ny 200 taonina nomena maimaim-poana. Nisy ekipana Vavolombelon’i Jehovah avy any Frantsa sy Belzika notendrena hanampy an’ireo mpitsoa-ponenana tany amin’ny toby. Nilaza koa ilay mpitondra teny fa nandefa fanampiana ho an’ireo niharam-boina tany Eoropa Atsinanana sy Bosnia ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Tsy mahasakana ny fandrosoana ara-panahy ny ady

Notafihin’ny mpikomy ny tanànan’i Ndjili, tsy lavitra an’i Kinshasa, tamin’ny Septambra 1998. Nisy korontana be tamin’izay, ka nankany amin’ny trano nipetrahan’ny mpiandraikitra ny faritra ny Vavolombelona maromaro. Nivavaka ho azy ireo ilay mpiandraikitra ny faritra, ary namaky ny Isaia 28:16, manao hoe: “Tsy mba ho taitra izay mino.” Nampirisika ny rehetra ho tony sy hiantehitra tamin’i Jehovah izy.

Nisy nilaza fa tokony hiala tao amin’ny tanànan’i Ndjili izy ireo ka hanaraka ny tetezana, fa ny hafa kosa nilaza hoe aleo manaraka ny lalamby. Nanapa-kevitra ny hijanona teo amin’ilay toerana ihany ireo rahalahy tamin’ny farany. Telo andro taorian’izay, dia lasan’ny tafi-panjakana indray ilay tanàna. Fantatr’ireo rahalahy àry fa nety ho tafahitsoka tao anatin’ny ady izy ireo raha nanaraka an’ireo lalana saika nandehanany.

Nivarotra trondro tamin’ny miaramila ny rahalahy iray avy ao amin’ny fiangonan’i Museka Kipuzi, tany Katanga. Niampanga azy ho mpitsikilon’ny antoko mpanohitra ilay miaramila niresaka taminy. Nofatorana sy nokapohina mafy izy, ary nentina tany amin’ny etamazaoron’ny miaramila teo amin’ilay faritra. Efa alina vao tonga izy ireo. Nasain’ireo miaramila nandihy ilay rahalahy. Namaly izy hoe: “Ahoana no hahitanareo izay dihy ataoko amin’izao maizina be izao?”

“Mihirà àry”, hoy izy ireo. Nataon’ilay rahalahy tamin’ny fony ilay hira hoe “Apetraho Amin’i Jehovah ny Entanao.” Nasain’ireo miaramila naverina ilay hira, satria nanohina ny fon’izy ireo ny tonony. Naverin’ilay rahalahy ilay hira. Nasain’ny miaramila iray nanao hira hafa indray izy avy eo. Nataony tamin’ny fiteny kiluba, izay fitenin-drazany, àry ilay hira hoe “Misaotra, Jehovah ô!” Tsy nofatorana intsony izy taorian’izay. Naverin’ireo miaramila tany an-tanàna izy ny ampitso maraina, ary nanontaniany tsara ireo mpiara-monina taminy, mba ho azo antoka fa tsy mpitsikilo izy. Rehefa handeha ireo miaramila, dia nilaza hoe: “Tena efa saika maty ianao, fa ny fivavahanao no namonjy anao! Tena nanohina ny fonay ny tonon’ireo hira roa nataonao. Tohizo foana ny fivavahanao, fa aza kivy!”

Manome voninahitra an’i Jehovah ny fanorenana Efitrano Fanjakana

Vao taona vitsivitsy izay, dia nanao fandaharana manokana ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra. Nankasitrahan’ireo rahalahy teto Congo izany, satria tena nila Efitrano Fanjakana izy ireo. Nisy fiangonana 298, ohatra, teto Kinshasa, kanefa tsy ampy 20 akory ny Efitrano Fanjakana azo nivoriana. Efitrano an-jato no nilaina nanerana an’ilay firenena. Nanomboka ny tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana teto Kinshasa tamin’ny Aprily 1999. Nitatra tany amin’ny faritanin’i Congo hafa izany tatỳ aoriana. Nahazo Efitrano Fanjakana 175 i Congo (Kinshasa) sy Congo (Brazzaville) tamin’ny fiandohan’ny taona 2003.

Nahalala ny fahamarinana efa hatramin’ny 1950 ny lehilahy iray, saingy tsy nandroso. Tena nanaitra azy anefa ny fanorenana Efitrano Fanjakana teo akaikin’ny tranony. Hoy izy: “Tsy nahaliana ahy mihitsy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha. Hitako misongadina anefa izao ny zava-bitan’izy ireo. Nanao Efitrano Fanjakana teo akaikin’ny tranon’ny rahalahiko izy ireo, ary misy koa izao eto akaikin’ny tranonay. Ohatra ny hoe misy Vavolombelona foana izay alehako rehetra!” Nanaiky hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy sy ny fitokanana an’ilay Efitrano Fanjakana vaovao io lehilahy io. Manatrika fivoriana tsy tapaka izy izao.

Trano efa ravarava, novidina tamin’ny 1994, no nivorian’ny fiangonana telo tao Matete. Tsy nanam-bola hanamboarana azy io ireo rahalahy, ka navela tamin’izao ilay trano nandritra ny enin-taona. Nisy katedraly lehibe iray teo ampitan-dalana. Fony naorina ilay katedraly, dia nilaza ilay mpitondra fivavahana tao fa tsy ho ela dia hiala teo ny Vavolombelon’i Jehovah. Naneso an’ireo rahalahy ny mpiara-monina, satria ratsiratsy ny toerana nivorian’izy ireo. Mbola naneso ihany ny mpiara-monina sasany na dia efa nanomboka nanangona ireo fitaovana hanorenana Efitrano Fanjakana vaovao aza ny fiangonana. Tena gaga àry izy ireo rehefa vita ilay efitrano! Hitan’izy ireo izao fa ny efitranon’ny Vavolombelon’i Jehovah no tsara indrindra teo amin’ilay faritra. Tsy nety niresaka tamin’ny Vavolombelona mihitsy ny vehivavy iray taloha, nefa tena nanaitra azy ny zava-bitan’ireo rahalahy. Nankeo amin’ilay toeram-panorenana izy, ary nampanantena fa hihaino izay Vavolombelona hitsidika azy amin’izay.

Nisy vehivavy tonga teo amin’ny toeram-panorenana iray. Nanontany an’ilay anabavy nahandro sakafo ho an’ny mpiasa izy hoe: “Manamboatra fiangonana angaha ianareo?”

“Manorina Efitrano Fanjakana izahay”, hoy ilay anabavy.

Nilaza ilay vehivavy hoe: “Hitovy aminareo ny trano amboarinareo. Olona madio sy milamina ianareo, ka tsy maintsy ho toy izany koa ny fiangonanareo!”

Fanatsarana ny fomba fiasan’ny sampana

Tsy maintsy nalamina indray ny Komitin’ny Sampana teto an-toerana, mba hikarakarana ny zavatra nilaina teny amin’ny saha. Nanao fanovana ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny Mey 1996. Voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampana i Sébastien Johnson, tamin’ny 20 Mey 1996. Roa volana talohan’izay no voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana izy sy Peter Ludwig. Izy mirahalahy ireo no niandraikitra ny asa teto. Tatỳ aoriana, dia voatendry hanampy azy ireo koa i David Nawej, Christian Belotti, Benjamin Bandiwila, Peter Wilhjelm, Robert Elongo, Delphin Kavusa, ary Uno Nilsson. Tsy maintsy niverina tany Alemaina i Peter Ludwig sy Petra vadiny noho ny toe-pahasalamany, ary manompo ao amin’ny sampana izy ireo ankehitriny.

Miasa mafy ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana mba hanomezana toromarika ho an’ireo rahalahy eny amin’ny saha. Misy mpanompon’i Jehovah avy any Amerika Avaratra sy Eoropa ary Japon koa voatendry hiasa eto Congo, amin’ny maha mpanompo iraisam-pirenena sy Betelita ary misionera. Nitombo ho 250 ny isan’ny mpianakavin’ny Betela teto Kinshasa tamin’ny taom-panompoana 2003, ary 34 no salanisan’ny taonan’izy ireo.

Mbola betsaka ny asa

Nanoratra toy izao ny mpaminany iray fahiny: “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny.” (Jer. 17:7) Na dia mbola mitohy aza ny ady any amin’ny faritra maro eto Congo, dia manohy hatrany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ireo rahalahy. Tsy mora amin’ny sampana ny mikarakara ireo mpitory manerana an’ilay firenena noho ny ady an-trano. Mampahery anefa ny mahita fa nahatratra 122 857 ny tampon’isan’ny mpitory.

Nahita ny zavatra niainan’ireo Vavolombelona mahatoky teto Congo isika tamin’ity fitantarana ity. Tsy ho vita ny hanonona ny anaran’ireo rahalahy sy anabavy rehetra niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna teto Congo. Azo antoka anefa fa nankasitrahan’i Jehovah izy rehetra ireny. Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina namany ny apostoly Paoly: “Andriamanitra mantsy tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.”​—Heb. 6:10.

Mbola be dia be anefa ny asa tokony hatao. Faritany maro no tokony hosokafana. Betsaka ny Efitrano Fanjakana mila aorina, ary tokony hitarina ny tranon’ny Sampana. Rehefa hitantsika anefa ny asan’ilay Fanjakana natao teto Congo nandritra ny 50 taona, dia tsapantsika fa marina ny tenin’ilay rahalahy tamin’ny 1952 hoe: ‘Toy ny voa latsaka avy ao anaty harona izahay, ka na aiza na aiza ilatsahan’ilay voa, dia vokatra foana izy rehefa avy ny orana.’ Mientam-po isika eo am-piandrasana izay hataon’i Jehovah Andriamanitra Raintsika mba hampitomboana ny voan’ilay Fanjakana.​—1 Kor. 3:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Niovaova foana ny anaran’ilay tany nandritra ny taona maro: Fanjakana Mahaleo Tenan’i Congo, Congo belge, Congo, Zaïre, ary Repoblika Demokratikan’i Congo no iantsoana azy hatramin’ny 1997. Fomba fiantso azy koa ny hoe Congo (Kinshasa), mba hanavahana azy amin’i Congo (Brazzaville). Congo kosa no hampiasaina ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 155 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1985, pejy 3-10.

^ feh. 173 Tatỳ aoriana, dia neken’ny Fitsarana Tampony ny hamerenana tamin’ireo rahalahy an’ilay tany nanaovana fanorenana nanomboka tamin’ny fiandohan’ireo taona 1980. Mbola miaramila no nipetraka teo amin’ilay tany, ary niala izy ireo tamin’ny taona 2000. Nifampizaran’ireo manam-pahefana indray anefa ilay tany, ary namidiny tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Olona an-jato no mipetraka eo amin’ilay faritra, ary mbola tsy azo ilay tany hatramin’izao.

[Teny notsongaina, pejy 229]

“Tsy handre momba ny Vavolombelon’i Jehovah intsony isika eto [Congo] manomboka izao”

[Teny notsongaina, pejy 249]

“Tena efa saika maty ianao, fa ny fivavahanao no namonjy anao!”

[Efajoro, pejy 168]

Indray Mitopy Maso An’i Congo (Kinshasa)

Ilay tany: Eo amin’ny andaniny roa amin’ny ekoatera no misy ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ary avo enina heny noho i Congo (Brazzaville) ny habeny. Rakotra ala tropikaly ny ankamaroan’ny faritra avaratr’i Congo, ary tena matevina izany ala izany, ka zara raha tanteraky ny tara-masoandro. Misy tendrombohitra sy volkano velona any amin’ny faritra atsinanana. Any andrefana kosa misy morontsiraka mirefy 37 kilaometatra, manamorona ny Oseana Atlantika.

Mponina: Miisa 55 tapitrisa ny mponin’i Congo, ary misy foko maherin’ny 200. Katolika ny 50 isan-jaton’ny mponina, Protestanta ny 20 isan-jato, mpanara-dia an’i Simon Kimbangu ny 10 isan-jato, ary Miozolimanina ny 10 isan-jato.

Fiteny: Misy fiteny maro eto Congo. Ny teny frantsay no fiteny ofisialy, nefa betsaka koa ny miteny lingala, kingwana, swahili, kongo, ary tshiluba.

Fivelomana: Manana harena an-kibon’ny tany maro i Congo, toy ny solitany, diamondra, volamena, volafotsy, ary ioraniôma. Nihena be anefa ny vokatra naondrana noho ny ady an-trano, ka nitombo ny trosan’ilay firenena. Mamboly ireo fianakaviana any ambanivohitra, ka izy ireo ihany no mamokatra ny ankamaroan’ny sakafony, anisan’izany ny mangahazo sy katsaka ary vary.

Bibidia: Betsaka ny bibidia eto Congo. Any amin’ny faritra be ala no ahitana ny babakoto sy rajako ary gidro. Eny an-tanety no monina ny antilopa, leoparda, liona, tokantandroka, ary zebra. Ao amin’ireo renirano kosa no misy ny voay sy hipopotama.

[Efajoro/Sary, pejy 173, 174]

Nitady ny Fahamarinana Izy ka Nahita Izany

Mpivavaka tao amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara tany Luena i Henry Kanama taloha, kanefa hitany fa tsy nanana ny fahamarinana io fivavahana io. Matetika izy no nankany an-tendrombohitra mba hivavaka sy hisaintsaina. Rehefa nandeha tany izy, dia nahita mpivavaka nilaza ho niresaka tamin’ny fanahy tsy hita maso. Nilaza tamin’i Henry izy ireo fa lavitra be Andriamanitra, nefa tsy fantatr’izy ireo izay misy azy.

Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitra marina i Henry. Nisy lehilahy nanome azy gazety Mifohaza! tamin’ny teny frantsay. Tsy ela dia fantany fa io ilay fahamarinana notadiaviny hatramin’ny ela! Nanoratra tamin’ny adiresin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay gazety izy, ary nianatra Baiboly tamin’ny alalan’ny fifanoratana. Naniry hatao batisa izy sy Elisabeth vadiny ary ny namany sasany tatỳ aoriana, ka nanoratra taratasy mba hahafantarany izay tokony hatao. Nilaza ny taratasy azon’izy ireo nanaraka, fa tokony hifandray tamin’ny sampana teo amin’ny firenena manodidina izy ireo. Lavitra be anefa ny ankamaroan’ireny sampana ireny.

Nanapa-kevitra ny hankany Rodezia Avaratra i Henry sy Elisabeth, ary i Hyppolite Banza sy Julienne vadiny. Fantatr’izy ireo fa nila nianatra ny fiteny icibemba izy ireo mba handalinany ny fahamarinana. Nandinika izay ho lany izy ireo, ary nanainga avy eo. Natao batisa izy ireo tamin’ny 1956, enim-bolana taorian’ny nifindrany.

Niverina teto Congo izy ireo tamin’iny taona iny, ary nazoto nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa. Nosamborina sy nogadraina i Henry sy ny namany sasany tamin’ny 1961. Nisy manam-pahefana teo an-toerana nampamono manam-pahefana hafa, ka novonoin’ny Kitawala. Nampangaina ho Kitawala koa ry Henry. Tsy nisy porofo momba izany anefa, ka novotsorana izy ireo.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana i Henry sy Elisabeth taorian’izay. Lasa mpisava lalana manokana izy ireo avy eo, ary nanao fitetezam-paritra tatỳ aoriana. Maty tamin’ny 1991 i Henry, fa i Elisabeth kosa mbola manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Mpiandraikitra ny faritra izao i Ilunga, zanak’izy ireo anankiray.

[Efajoro/Sary, pejy 178]

Albert Luyinu​—Vavolombelona Mahatoky

Nahita ny fahamarinana i Albert tamin’ny 1951. I Simon Mampouya, mpiara-miasa taminy avy any Congo (Brazzaville) no nitory taminy. Olona mendri-kaja teo amin’ny fiaraha-monina i Albert, satria izy no Kongoley lasa mpitsabo nify voalohany. Tsy mora taminy àry ny niandany tamin’ny fahamarinana. Natao batisa izy sy ny vadiny, taorian’ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1954. Natao tamin’ny alina ilay batisa, satria voarara ny asa tamin’izany fotoana izany.

I Albert no solontenan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anatrehan’ny fitsarana, tamin’ny 1958 ka hatramin’ny 1996. Nandika teny teo anatrehan’ny mpanatrika 1 800 i Albert indray mandeha, rehefa nanao lahatenim-panambadiana ny Rahalahy Heuse. Nanazava ny andraikitry ny vehivavy kristianina manambady ilay lahateny tamin’ny voalohany. Tsaroan’i Albert fa niandranandrana sy nirehareha erỳ izy tamin’izay, rehefa nijery ny vadiny sy ny anabavy hafa nanatrika teo. Rehefa reny anefa ny andraikitry ny lehilahy kristianina manambady, dia niondrikondrika sy nahatsiaro ho menatra izy. Te hisitrika tany ambany latabatra mihitsy aza izy rehefa nifarana ilay lahateny!

[Sary]

Albert sy Emilie Luyinu

[Efajoro/Sary, pejy 191-193]

Mitantara i Pontien Mukanga

Teraka: 1929

Batisa: 1955

Mombamomba Azy: Mpiandraikitra ny faritra voalohany teto Congo.

Nankany amin’ny hopitaly aho tamin’ny 1955, satria narary nify. I Albert Luyinu no nitsabo ny nifiko. Nasehony ahy avy eo ny Apokalypsy 21:3, 4, izay milaza fa tsy hisy intsony ny fanaintainana amin’ny hoavy. Nomeko azy ny adiresiko, ary nitsidika ahy izy ny harivan’iny. Nanao fandrosoana haingana aho, ka natao batisa tamin’iny taona iny.

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra ho an’i Congo iray manontolo aho tamin’ny 1960. Tsy mora ny asa fitetezam-paritra tamin’izany. Nanao dia nandritra ny andro maromaro na herinandro vitsivitsy mihitsy aza aho. Kamiao feno entana no nandehanana, ary tao aoriana aho no nipetraka. Tena ratsy anefa ny lalana, sady nigaingaina be ny andro. Nampijalin’ny moka aho isaky ny alina. Matetika no simba ny kamiao, ary tsy maintsy niandry aho mandra-pahavitan’ny fanamboarana azy io. Nandeha irery teny amin’ny lalana tsy nisy famantarana aho, ka very indraindray.

Nitsidika tanàna iray tany amin’ny faritra avaratr’i Congo aho indray andro, niaraka tamin’i Leon Anzapa. Niaraka nankany amin’ny tanàna iray hafa izahay avy eo, ary nandeha bisikileta tamin’ny lalana 120 kilaometatra. Very izahay, ka tsy maintsy natory tao anaty tranon’akoho nandritra ny alina. Nokaikerin’ny tsingaongaotra avy tamin’ireo akoho izahay, ka nandrehitra afo kely teo afovoan-trano ny tompon’ilay toerana, na dia tsy nisy varavarankely aza ilay trano.

Niady tamin’ny mpiara-monina ny zanak’ilay tompon-trano tamin’io alina io. Niditra tamin’ilay ady koa avy eo ilay tompon-trano. Fantatray anefa fa mety hidiran-doza koa izahay raha resy izy. Tsy nahita tory mihitsy izahay tamin’iny alina iny, noho ny tsingaongaotra sy ny setroka ary ilay ady.

Niala moramora niaraka tamin’ny bisikileta izahay raha vao nangiran-dratsy, kanefa rehefa nandeha kilaometatra vitsivitsy dia very indray. Nanohy ny dia ihany izahay nandritra ny andro, ka nanaraka lalana iray efa tsy nandehanana ela. Noana sady reraka i Leon rehefa hariva ny andro, ka nianjera tamin’ny bisikileta, ary nipoka tamin’ny vato ny vavany. Naratra mafy ny molony ambony sady nandeha ra be. Nandeha ihany anefa izahay mandra-pahatonganay tao amin’ny tanàna iray. Rehefa nahita an’i Leon ny olona tao amin’ilay tanàna, dia nanontany hoe iza no nandratra azy. Nohazavainay fa nianjera tamin’ny bisikileta izy. Tsy nino an’izany anefa izy ireo fa izaho indray no noheveriny ho nandratra azy. Tsy natory koa izahay ny alin’iny, satria nanaintaina be ny ferin’i Leon, ary nitady hamely ahy ireo mponina mba ho saziko. Nanainga izahay ny ampitso maraina, ary nahita fanafody tao amin’ny tanàna iray ihany tamin’ny farany. Norarahana merkiorôkrôma ny molotr’i Leon, ary nasiana zaitra enina mba hampikatona an’ilay fery. Nandeha 80 kilaometatra indray izahay hatrany Gemena. Nisy hopitaly kely tao amin’io tanàna io, ary navelako tao i Leon, mba hotsaboina. Nandeha namonjy ny vadiko aho, ary nandeha sambo nanaraka ny renirano izahay, mandra-pahatonganay teto Kinshasa.

Matetika no nandeha tamin’ireny dia ireny i Marie, vadin’i Pontien. Maty tamin’ny 1963 i Marie. Nanambady fanindroany i Pontien tamin’ny 1966, ary nanao ny asan’ny faritra hatramin’ny 1969. Mbola manompo manontolo andro izy izao, ary manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra.

[Efajoro/Sary, pejy 195, 196]

Mitantara i François Danda

Teraka: 1935

Batisa: 1959

Mombamomba Azy: Mpiandraikitra ny faritra tamin’ny 1963 ka hatramin’ny 1986. Nanompo tao amin’ny Betelan’i Congo tamin’ny 1986 ka hatramin’ny 1996. Anti-panahy sady mpisava lalana manokana ankehitriny.

Nitsidika fiangonana tany Kenge, faritanin’i Bandundu, aho tamin’ny 1974. Nosamborin’ireo mpitolona tao amin’ny antokon’ny fitondrana ny fito taminay, satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba ara-politika nanomezam-boninahitra ny filoham-panjakana izahay. Nampidirin’izy ireo tao amin’ny efitra figadrana tsy nisy varavarankely izahay. Nirefy roa metatra ny lavan’izy io, ary roa metatra koa ny sakany. Tsy nisy afaka nipetraka na nitsotra izahay, fa nifampiankina fotsiny. Najanona tao izahay nandritra ny iray volana sy tapany, ka indroa isan’andro ihany no afaka nivoaka tao. Nandre izay nitranga i Henriette vadiko, ka nanao dia 290 kilaometatra avy teto Kinshasa, mba hijery ahy. Indray mandeha isan-kerinandro ihany anefa izy no navela hitsidika ahy.

Nitsidika ny fonja ny mpampanoa lalàna indray andro. Nisy fombafomba ara-politika natao mba hanomezam-boninahitra azy. Izahay ihany no tsy nanao hira sy teny faneva politika tamin’ny olona rehetra teo. Tezitra mafy ilay mpampanoa lalàna, ka nandidy ahy hibaiko ireo rahalahy enina mba hihira. Namaly aho hoe: ‘Tsy manana fahefana amin’izy ireo aho, fa ry zareo ihany no manapa-kevitra raha hihira na tsia.’ Nokapohina aho noho izany.

Nentina tao aoriana tamin’ny fiara 4x4 iray izahay taorian’izay. Nisy miaramila roa niambina anay, ary teo aloha niaraka tamin’ny mpamily ilay mpampanoa lalàna. Nizotra nankany amin’ny tanànan’i Bandundu, renivohi-paritany, ny dianay. Nandeha mafy be ilay fiara. Nasaiko namikitra mafy ireo rahalahy, ary nanomboka nivavaka aho. Raha vao tapitra ny vavaka nataoko, dia nivadika ilay fiara, satria nirimorimo loatra teo amin’ny fiolahana. Nahagaga anefa fa tsy nisy maty na naratra izahay. Tsapanay fa niaro anay i Jehovah. Rehefa tafaverina tamin’ny laoniny ilay fiara, dia nasain’ilay mpampanoa lalàna naterin’ireo miaramila roa lahy izahay, ka nandeha an-tongotra niverina tany amin’ilay fonja. Ilay fiara kosa nanohy nankany Bandundu.

Notantarain’ireo miaramila tamin’ny manam-pahefana izay nitranga rehefa tafaverina tao am-ponja izahay, ary niangaviany izy ireo mba hanafaka anay. Tena gaga ilay lehiben’ny fonja, ary nino koa izy fa Andriamanitra no niaro anay. Natao tao amin’ny efitra figadrana tsotra izahay nandritra ny andro vitsivitsy taorian’izay, ary navela handehandeha teo an-tokotany niaraka tamin’ny voafonja hafa. Nafahana izahay avy eo.

Nanao ny asan’ny faritra nandritra ny 24 taona i François sy Henriette, ary nanompo tao amin’ny Betela avy eo. Voatendry ho mpisava lalana manokana izy ireo, folo taona taorian’izay. Nodimandry tamin’ny 16 Aogositra 1998 i Henriette.

[Efajoro/Sary, pejy 200-202]

Mitantara i Michael Pottage

Teraka: 1939

Batisa: 1956

Mombamomba Azy: Nanompo nandritra ny 29 taona teto Congo i Michael sy Barbara vadiny. Any amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne izy ireo ankehitriny. Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana miteny lingala any Londres i Michael.

Ny niresaka tamin’ny olona no tena nanahirana anay. Tsy maintsy nahay teny frantsay nisosa tsara aloha izahay, satria io no fiteny ofisialy eto Congo. Nianatra teny swahili koa anefa izahay rehefa nanompo tany Katanga, sady tsy maintsy nahafehy tsara ny teny tshiluba tany Kananga, ary nianatra teny lingala rehefa voatendry tany Kinshasa.

Tena nanampy anay anefa izany, satria nanjary niraiki-po taminay ireo rahalahy rehefa hitany ny ezaka mafy nataonay mba hifampiresahana taminy. Tsapan’izy ireo fa tena tia azy izahay sady naniry hanampy azy, matoa nianatra ny fiteniny. Ankoatra izany, dia nandaitra kokoa ny fanompoanay. Gaga sady faly ny tompon-trano rehefa nandre anay niteny ny fiteniny. Nanaja anay izy ireo, ary naniry hihaino ny hafatra nentinay.

Nieren-doza izahay rehefa nanao ny asan’ny vondrom-paritra, noho ny fahaizanay ny fiteny teo an-toerana. Nanao barazy teny amin’ny lalana ny miaramila sy ny antoko politika, ary naka an-keriny ny volan’ny mpandeha. Ireo vahiny indrindra no tena nokendren’izy ireo. Niarahaba ireo miaramila tamin’ny fiteniny izahay rehefa nisakana anay izy ireo. Matetika izy ireo no taitra, ka nanontany hoe iza moa izahay. Rehefa hitan’izy ireo fa nahay nihoatra noho ny fiarahabana izahay, ka afaka nanazava ny zavatra nataonay tamin’ny fiteniny, dia matetika izy ireo no nandray tsara. Nangataka boky na gazety izy ireo, ary nirary anay ho tonga soa aman-tsara sy hotahin’Andriamanitra.

Imbetsaka no nanohina ny fonay ny fitiavana sy fahafoizan-tena nasehon’ireo rahalahy afrikanina. Antoko politika iray ihany no nisy teto Congo nandritra ny taona maro. Nampijalin’ny fitondrana indraindray ireo olona tsy nanao politika, toy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tao anatin’izany toe-draharaha izany no nivezivezenay tamin’ny jipy, rehefa nikarakara fivoriambe.

Tsaroako tsara ny fivoriambe iray. Nankao ambadiky ny lampihazo ny filohan’ny antoko politika teo an-toerana, nandritra ny fotoam-pivoriana hariva tamin’ny andro farany. Mamo izy sady niteny ratsy, ary nitady hiakatra teny amin’ny lampihazo mba hampirisika ny olona rehetra hividy karatry ny antoko politika. Tsy nanaiky izahay, ka tezitra mafy izy, ary nanevateva anay, sady nilaza fa mpanohitra ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah ka tokony hogadraina. Nanao izay hampandeha azy ny rahalahy sasany. Nandeha izy sady nandrahona ny hitory anay tany amin’ny tompon’andraikitra, ary hiverina handoro ny fiaranay sy ny trano bongo nipetrahanay. Fantatray fa tsy nivazivazy izy.

Tena nahavariana ny zavatra nataon’ireo rahalahy. Tsy mba natahotra na nandositra izy ireo, fa nijanona niaraka taminay, sady nampirisika anay hiantehitra tamin’i Jehovah. Nifandimby niambina ny trano bongonay sy ny fiaranay izy ireo nandritra ny alina manontolo. Tena nampihetsi-po anay iny zava-nitranga iny. Nanao vivery ny ainy ireo rahalahy mba hiarovana anay. Mety hiharan’ny herisetra koa izy ireo rehefa lasa izahay, satria tsy nanaiky hanohana ny antoko politika. Vonona ny hisetra izany anefa izy ireo. Tsy hohadinoinay mihitsy ny fahafoizan-tenan’ireny Kristianina ireny. Tena nampahery anay ny fitiavana nasehon’izy ireo nandritra ireo taona nijanonanay tany Congo.

[Efajoro/Sary, pejy 211-213]

Mitantara i Terence Latham

Teraka: 1945

Batisa: 1964

Mombamomba Azy: Nanao asa misionera nandritra ny 12 taona. Nianatra teny frantsay sy lingala ary swahili. Manompo any Espaina ankehitriny, miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany roa.

Nankany Kisangani izaho sy Raymond Knowles tamin’ny 1969. Nisy mponina 230 000 tany tamin’izany, ary izy io no tanàna lehibe indrindra any amin’iny faritra avaratratsinanan’i Congo iny.

Nandray anay tamim-pifaliana ireo mpitory vitsivitsy sy ireo olona liana maro be tao amin’io faritra io! Nanolotra fanomezana be dia be ho anay izy ireo, toy ny papay, mananasy, akondro, ary voankazo hafa mbola tsy fahitanay mihitsy. Nisy koa nitondra akoho sy sokatra mbola velona. I Samuel Tshikaka no nampiantrano anay. Nahita trano hofana anefa izahay taoriana kelin’izay. Niara-nipetraka taminay koa i Nicholas sy Mary Fone, ary Paul sy Marilyn Evans. Tena faly izahay tamin’izay! Niaraka nanamboatra sy nandoko an’ilay tranon’ny misionera voalohany tany Kisangani izahay. Feno voaloboka dia sy lobolobo ilay trano, ary noroahinay ireo kary anankiroa nipetraka tao ambony. Tonga niara-nipetraka taminay koa ry Peter sy Ann Barnes, ary Ann Harkness, izay lasa vadiko tatỳ aoriana.

Nianatra teny lingala sy swahili izahay nandritra ireo efa-taona voalohany nanompoanay tany Kisangani. Nifandray tsara tamin’ny mponina izahay, satria tia nandray vahiny sy sariaka izy ireo. Maro be ny olona nianatra Baiboly, ka tsy maintsy niainga vao maraina izahay mba hanampiana azy ireo, ary hariva be vao nody. Tsy ampy folo ireo mpitory tany Kisangani tamin’ny voalohany, nefa nitombo ho fiangonana valo izany, nandritra ireo taona nipetrahanay tany.

Nandalo teo akaikin’ny reniranon’i Ituri izahay indray mandeha, ary nahita tanànan’ny Pygmées. Naniry hitory tao izahay. Misy manam-pahaizana milaza fa mihevitra ny ala ho toy ny ray aman-dreniny ny Pygmées, satria avy ao no ahazoany sakafo sy fitafiana ary fialofana. Masina amin’ny Pygmées àry ny ala. Mino izy ireo fa azony atao ny miresaka amin’ny ala, mandritra ilay fety antsoina hoe molimo. Mandihy sy mihira manodidina ny afo izy ireo amin’izany. Efa misy karazana sodina lava be fampiasa amin’ilay fety, izay anaovan’ireo lehilahy feon-kira na feom-biby.

Olona mpifindrafindra monina ny Pygmées, ka iray na roa volana izy ireo no mijanona eo amin’ny faritra iray. Tena nampiaiky volana anay ny fomba fanamboaran’izy ireo ny toeram-ponenany. Manamboatra trano bongo mitangorongorona izy ireo. Natao hatoriana izy ireny, ary vita amin’ny rantsankazo sy ravinkazo. Tokana ny varavarany, ary adiny roa eo ho eo dia mety ho vita ny fanorenana. Afaka matory ao anatiny ny olona vitsivitsy raha mivonkina. Nisy ankizikely nanatona mba hikasika ny hoditray sy ny volonay, satria mbola tsy nahita fotsy hoditra mihitsy izy ireo hatramin’izay. Faly izahay fa afaka nihaona sy nitory tamin’ireny mponina tany anaty ala ireny! Nilaza izy ireo fa efa nisy Vavolombelona nitory taminy, avy teo amin’ireo tanàna akaikin’ny faritra nitobiany.

[Efajoro/Sary, pejy 215, 216]

Mitantara i David Nawej

Teraka: 1955

Batisa: 1974

Mombamomba Azy: Izy no mpianakavin’ny Betelan’i Congo nanompo ela indrindra. Anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny.

Gaga aho tamin’ny 1976, rehefa naharay taratasy fanasana hiasa teto amin’ny Betela. Voatsipika ny teny hoe “maika” tao amin’ilay taratasy. Tany Kolwezi aho no nipetraka, izany hoe 2 450 kilaometatra avy eto Kinshasa. Sarotra tamiko ny nandao ny tranonay, kanefa naniry hamaly toa an’i Isaia aho hoe: “Inty aho, iraho aho.”—Isaia 6:8.

Nampiseho milina fanoratana ireo rahalahy teto amin’ny Betela, ary nanontany ahy izy ireo raha nahay nitendry azy io aho. Nilaza aho fa mpanjaitra no asako, ka ny mampiasa milina fanjairana no haiko fa tsy milina fanoratana. Vonona ny hiezaka anefa aho, ka nianatra nitendry an’ilay milina. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana sy Fandikan-teny aho tamin’izay.

Notendrena hiasa tao amin’ny Biraon’ny Fifanoratana aho tatỳ aoriana. Anisan’ny asako ny nikarakara ireo tapakila notapahin’ny olona avy tamin’ny boky sy gazetintsika, ka nalefany tatỳ amin’ny biraon’ny sampana. Nangataka boky hafa izy ireo matetika. Tsy fantatro raha mba nisy heriny teo amin’ny fiainan’ny olona ireny boky ireny. Fantatro anefa fa nisy tovolahy roa nahita ny fahamarinana tamin’izany fomba izany. Nanao fandrosoana haingana izy ireo, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra, ary lasa mpisava lalana manokana tatỳ aoriana. Nantsoina hiasa teto amin’ny Betela izy ireo, ary niray efitra tamiko ny anankiray taminy.

Manoratra atỳ amin’ny Betela ny olona sasany indraindray mba hangata-bola. Misy taratasy efa voaomana tsara, manazava amin’ilay olona fa atao an-tsitrapo ny asantsika, sady mampirisika azy hianatra Baiboly. Vao haingana izay, dia nisy rahalahy nilaza tamiko fa taratasy toy ireny no nahitany ny fahamarinana. Nasehony ahy ilay taratasy. Nanoratra tany amin’ny Betela izy, taona maromaro talohan’izay, mba hangata-bola. Nanaiky hianatra Baiboly izy, araka ny nampirisihana tao amin’ilay taratasy, ka nahita ny fahamarinana.

Niandraikitra raharaha ara-pitsarana aho tatỳ aoriana. Nisy rahalahy nosamborina satria tsy nety nametaka famantarana ny antoko politika teny amin’ny akanjony, ary izaho no nasaina nanampy azy ireo. Nisikina herim-po aho, ary niteny tamin’ny manam-pahefana hoe: “Manaporofo inona moa ireny famantarana ny antoko ireny? Na dia ny olona niady taminareo nandritra ilay ady an-trano vao haingana teo aza, dia nitondra ireny famantarana ireny. Tsy misy dikany ny fitondrana ilay izy, satria tsy fantatra izay tena ao an-tsain’ilay olona mitondra azy. Ny toe-tsain’ny olona no tena zava-dehibe. Tsy hanapoaka ady an-trano mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manara-dalàna. Sarobidy lavitra noho ny fitondrana famantarana ny antoko ny toe-tsaina toy izany.” Nafahana àry ireo rahalahy. Nanampy anay foana i Jehovah tamin’ny toe-javatra toy ireny.

Efa 27 taona izao no nanompoako teto amin’ny Betela. Tsy dia salama loatra aho, sady tsy nahita fianarana firy, nefa miezaka mafy hatrany aho, mba ho azon’i Jehovah ampiasaina. Mbola misy asa maika foana eto amin’ny Betela!

[Efajoro/Sary, pejy 219]

Mitantara i Godfrey Bint

Teraka: 1945

Batisa: 1956

Mombamomba Azy: Nahazo diplaoman’i Gileada, kilasy faha-47. Nanompo teto Congo nandritra ny 17 taona. Anisan’ny Komitin’ny Sampana any Rwanda ankehitriny. Mahay miteny anglisy, frantsay, lingala, swahili, ary tshiluba.

Niara-nanompo tamin’ny rahalahy kongoley iray tany Kananga aho, tamin’ny 1973. Tonga tao amin’ny trano nampianaranay Baiboly ny manam-pahefana, ary nisambotra anay. Nogadraina nandritra ny tapa-bolana izahay. Nanatitra sakafo ho ahy i Mike Gates, misionera namako, satria tsy nisy sakafo tao amin’ilay fonja. Nafahana ihany izahay tamin’ny farany. Tokony hamonjy fivoriambe iraisam-pirenena tany Angletera izaho sy Mike, telo volana taorian’izay. Tamin’ilay andro tokony handraisanay fiaramanidina anefa, dia renay fa rahalahy maro no nosamborina. Naniry hahita an’ireo rahalahy izahay, sady te hitondra sakafo ho azy ireo. Nahagaga anefa fa nasain’ny mpitsara nosamborina koa izahay rehefa nangataka hahita an’ireo rahalahy. Teo am-piandrasana ny fiara hitondra anay tany am-ponja izahay no nanainga ilay fiaramanidina. Narary kely mihitsy ny fonay nandre an’ilay feo!

Maro tamin’ireo voafonja niaraka tamiko, telo volana lasa, no mbola hitako tao amin’ilay fonja. Nigadra niaraka tamiko koa ilay namako nanatitra sakafo ho ahy, ka nanontany izy ireo hoe: “Iza izao no hanatitra sakafo ho anareo?”

Nolazainay fa hitondra sakafo ho anay ireo rahalahinay, nefa tsy nino izy ireo. Fantatr’izy ireo fa tsy nisy Vavolombelona eoropeanina hafa teo amin’ilay faritra. Tena gaga àry izy ireo ny ampitso rehefa tonga ireo rahalahy kongoley, nitondra sakafo be dia be, izay nozarainay tamin’ny voafonja hafa! Hitan’ny olona tamin’izany fa mpirahalahy maneran-tany isika, sady mifankatia sy miray saina. Nanatitra sakafo ho anay ihany ireo rahalahy, na dia fantany aza fa nety ho nosamborina koa izy noho izany. Nafahana anefa izahay, dimy andro taorian’izay. Nandray fiaramanidina nankany Angletera izahay, ary nahatratra ny fivoriambe ihany.

[Efajoro/Sary, pejy 224-226]

Mitantara i Nzey Pandi

Teraka: 1945

Batisa: 1971

Mombamomba Azy: Nitory tany amin’ny faritany sarotra tamin’ny mbola mpitovo. Rehefa nanambady, dia niaraka tamin’ny vadiny nanao ny asan’ny faritra tamin’ny 1988 ka hatramin’ny 1996. Mpisava lalana manokana eto Kinshasa ankehitriny.

Teo am-pamakiana Baiboly aho tamin’ny 1970, no nandondòna tao am-baravarana ny lehilahy iray niaraka tamin’ny zanany lahy. Nipetraka teto Kinshasa aho tamin’izany. Niresaka momba ny Baiboly ilay zazalahy, ary nanasa ahy hanokatra ny Baiboliko tao amin’ny Matio 24:14. Tsy hitako akory ilay andinin-teny, na dia nihevitra ny tenako ho nahay Baiboly aza aho. Ilay zazalahy no namadika ny Baiboliko, ary nahaliana ny resakay avy eo.

Hitan’ilay rainy fa liana aho, ka nasainy hanatrika fivoriana ny alahady nanaraka. Tao ambadiky ny tranon’ny Vavolombelona iray no natao ilay izy, satria voarara ny asa fitoriana tamin’izay. Tiako ilay lahateny, ka nijanona nianatra Ny Tilikambo Fiambenana aho. Nisy Vavolombelona tonga tany amiko ny harivan’iny, ary nanomboka nianatra Baiboly aho.

Natao batisa aho tatỳ aoriana, ary nanao fanompoana manontolo andro. Hitako tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana fa nilana mpitory maro kokoa tany amin’ny faritra sasany. Nanontany aho raha afaka nandeha tany Kenge, faritanin’i Bandundu. Nanaiky ireo anadahy, kanefa nampitandrina ahy izy ireo satria efa nisy mpitory nosamborina tany. Nieritreritra aho hoe: ‘Fa angaha moa dia ny mpitory rehetra no hosamboriny?’ Nanapa-kevitra ny handeha àry aho.

Tonga tany aho ny hariva, ary faly satria nandalo tany i François Danda, mpiandraikitra ny faritra tamin’izay. Namonjy fivoriana alohan’ny fanompoana aho ny ampitso maraina. Taitra anefa aho rehefa nahafantatra fa voasambotra i François sy ny anadahy sasany. Nangataka hiresaka tamiko ny lehiben’ny polisy. Hoy izy: “Fantatray fa Vavolombelon’i Jehovah ianao. Mahazo mijanona eto Kenge ianao raha tianao, kanefa raha vao hitanay mandeha mitondra kitapo ianao, dia hosamborinay.”

Tezitra tamin’ny polisy ny olona tao an-tanàna, satria fantatr’izy ireo fa tsy mpanao ratsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ny olona fa tsy tokony handany andro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy, fa tokony hiady amin’ny asan-jiolahy, satria be dia be ny mpanao heloka bevava tamin’izany. Nafahana ihany ireo Vavolombelona tamin’ny farany.

Voatendry ho mpisava lalana manokana aho tamin’ny 1975. Nitsidika tanàna maro aho, ary nijanona tapa-bolana na roatokombolana isan-tanàna. Tsy ela dia nisy antokon’olona liana enina niforona. Nanoratra tany amin’ny sampana aho, mba handefasana anadahy hiandraikitra ny asa sy hikarakara ireo antokon’olona ireo.

Nifankahita tamin’i Jean-Baptiste Pandi aho, mpisava lalana manokana koa izy. Efa niresaka tamin’ny misionera momba ny fanambadiana sy ny fanompoana manontolo andro aho taloha. Nilaza izy ireo fa tsara kokoa ny tsy miteraka raha maniry hijanona amin’ny fanompoana manontolo andro. Nanaiky izany i Jean-Baptiste, ka nivady izahay. Inoan’ny olona fa ny zanaka no antenain’ny ray aman-dreny ho andry hiankinana rehefa antitra izy ireo. Niova anefa ny zava-misy, ka ray aman-dreny maro no diso fanantenana. Tsy nisy zavatra nandiso fanantenana anay mivady mihitsy anefa.

Betsaka ny olona nampianay hahita ny fahamarinana, tao anatin’ireo taona maro lasa. Tena mahafaly ahy koa ny zavatra nataon’ny fianakaviako. Izaho no nanampy an’i Dada sy Neny, sy ny anadahiko efatra, ary ny rahavaviko iray hanaiky ny fahamarinana.

Milaza ny Salamo 68:11 hoe: “Ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.” Midika izany fa manana andraikitra lehibe ny vehivavy kristianina, ka tsy maintsy manao izay rehetra vitany. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, satria navelany handray anjara tamin’io asa io.

[Efajoro, pejy 240]

Sakafo Ara-panahy Amin’ny Fiteny Maro

Ny teny frantsay no fiteny ofisialy eto Congo, kanefa ny lingala no tena fitenin’ny olona eto Kinshasa sy ny manamorona ny Reniranon’i Congo. Tsy manana voambolana firy ny fiteny lingala, kanefa mahalaza hevitra mazava tsara. Ny teny hoe “mibebaka”, ohatra, dia hoe kobongola motema, izay midika ara-bakiteny hoe “mampitodika ny fo.” Misy resaka fo koa ilay teny hoe kokitisa motema, izay midika ara-bakiteny hoe “mampitombina ny fo”, izany hoe “mitony.”

Efa am-polo taona no nandikana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny lingala. Adika amin’ireto fiteny ireto izao ny boky sy gazetintsika, eto Congo: kiluba, kinande, kipende, kisonge, kituba, lingala, lingombe, lomongo, mashi, monokutuba, ngbaka, otetela, swahili (Congo), tshiluba, ary uruund.

[Efajoro, pejy 247]

Malemy Nefa Mafana Fo

Nalemy teo am-pandriana nandritra ny 15 taona i Richard, 20 taona, ary ny lohany ihany no afaka mihetsika. Lasa mpitory tsy vita batisa anefa izy tamin’ny Janoary 1997. Nitory tamin’izay olona nitsidika azy tao an-trano i Richard. Tsapa amin’ny fomba fiteniny fa tena inoany ny zavatra lazainy. Mahavita mitory adiny folo isam-bolana izy amin’ny antsalany. Nentina tamin’ny filanjana marary izy tamin’ny 12 Aprily 1998, ary natao batisa tao amin’ny renirano kely tsy lavitra ny tranony. Efa afaka mamonjy fivoriana tsy tapaka izy izao. Mianatra Baiboly miaraka aminy ny iray amin’ireo havany, sady efa manatrika fivoriana ary manao fandrosoana tsara. Na dia malemy ara-batana aza io rahalahintsika io, dia matanjaka ara-panahy noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra.

[Efajoro, pejy 248]

“Tsy Naman’izao Tontolo Izao”

Indray andro, dia nasain’ny mpampianatra nitsangana tsirairay teny aloha sy nihira ny hiram-pirenena ny ankizy tao amin’ny kilasy iray. Rehefa tonga ny anjaran’i Esther, 12 taona, dia nilaza tamim-panajana tamin’ilay mpampianatra izy fa tsy afaka nanao. Hoy izy momba izay nitranga:

“Tezitra ilay mpampianatra. Nanontany àry aho raha afaka nanao hira hafa. Nanaiky izy. Nataoko ilay hira hoe: ‘Tsy Naman’izao Tontolo Izao.’ Nasain’ilay mpampianatra nitehaka ny iray kilasy rehefa vita ilay izy.”

“Nantsoin’ilay mpampianatra manokana aho rehefa nirava. Nilaza izy fa tena tiany ilay hira, indrindra fa ny tonony. Hoy koa izy: ‘Hitako fa tena tafasaraka amin’izao tontolo izao tokoa ianareo Vavolombelon’i Jehovah. Manaporofo izany koa ny fitondran-tenanao ato am-pianarana.’”

“Nanaitra ny iray tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko koa ilay hira. Nametraka fanontaniana maromaro izy, ary voavaliko daholo izy rehetra. Tsy maintsy nisaraka izahay rehefa nifarana ny taom-pianarana, kanefa nasaiko nitady Vavolombelon’i Jehovah izy tany amin’izay toerana hifindrany. Nanao izany tokoa izy, ary efa rahavavy izy izao.”

[Efajoro, pejy 251]

Voninahitra ho An’Andriamanitra ny Fanaovana ny Marina

Nisy rahalahy niasa tao amin’ny orinasa iray nisy mpiasa nifandimby. Indray andro, dia nanao fahadisoana ny antokon’olona niara-niasa taminy, ka simba ny fitaovana sasany. Nanapa-kevitra ny handroaka an’ireo mpiasa rehetra ilay mpampiasa. Nomeny karama izy ireo, ary nalefany nody. Rehefa tonga tany an-trano ilay rahalahy, dia hitany fa nihoatra 500 francs (6 000 FMG mahery kely) ny karamany, ka nandeha namerina ilay vola izy. Nanararaotra an’izany izy mba hitoriana. Tena gaga ilay mpampiasa noho ny fanaovan’ilay rahalahy ny marina, ka nasainy nijanona niasa tao aminy indray izy.

[Tabilao, pejy 176, 177]

CONGO (KINSHASA)—IREO TAONA NANAN-TANTARA

1932: Natao izay handefasana Vavolombelon’i Jehovah teto Congo.

1940

1949: Nisy lalàna navoaka nanamafy ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah.

1960

1960: Nahazo fahaleovan-tena i Congo, ary nahazo fahalalahana kely ny Vavolombelona.

1962: Nahazo biraon’ny sampana i Léopoldville (Kinshasa ankehitriny). Tonga ireo misionera voalohany.

1966: Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.

1971: Nofoanana ilay fanekena ho ara-dalàna.

1980

1980: Nekena ho ara-dalàna indray ny fikambanana.

1986: Voarara ny Vavolombelon’i Jehovah.

1990: Nisy indray ny fahalalahana ara-pivavahana, na dia mbola tsy nolazaina tamin’ny fomba ofisialy aza izany.

1993: Nofoanan’ny Fitsarana Tampony ilay fandrarana tamin’ny 1986. Namboarina ny sampana vaovao.

2000

2003: Misy mpitory 122 857 eto Congo (Kinshasa).

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpitory

Isan’ny Mpisava Lalana

120 000

80 000

40 000

1940 1960 1980 2000

[Sarintany, pejy 169]

(Jereo ny boky)

SOUDAN

RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

REPOBLIKAN’I CONGO

BRAZZAVILLE

REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Isiro

Bumba

Reniranon’i Congo

Kisangani

Goma

Bukavu

Bandundu

KINSHASA

KASAÏ

Kenge

Kikwit

Matadi

Kananga

Mbuji-Mayi

KATANGA

Kamina

Luena

Kolwezi

Likasi

Lubumbashi

ANGOLA

ZAMBIA

[Sary, pejy 162]

[Sary, pejy 185]

Hélène sy Ernest ary Danielle Heuse teto Kinshasa tamin’ireo taona 1960

[Sary, pejy 186]

Nahagaga ny Kongoley maro ny batisa tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena, tao amin’ilay sarimihetsika hoe “Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao”

[Sary, pejy 199]

Madeleine sy Julian Kissel

[Sary, pejy 205]

Toeram-pivoriana tsotsotra no naorina nanerana an’ilay tany

[Sary, pejy 207]

Biraon’ny sampan’i Kinshasa tamin’ny 1965

[Sary, pejy 208]

Fivoriambe tany Kolwezi, tamin’ny 1967

[Sary, pejy 209]

Sarotra ny nanao dia lavitra noho ny lalan-dratsy

[Sary, pejy 221]

Ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Fitiavan’Andriamanitra” tany Kinshasa, tamin’ny 1980, no fivoriambe voalohany natao tao anatin’ny valo taona

[Sary, pejy 223]

Maro no nandeha an-tongotra andro maromaro, ka nitondra sakafo sy entana, mba hanatrehana fivoriambe

[Sary, pejy 228]

Natao teto Kinshasa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Mpihazona Tsy Fivadihana” tamin’ny Desambra 1985, telo volana monja talohan’ny fandrarana

[Sary, pejy 230]

Nogadraina sy nokapohina tamin-kabibiana ireo rahalahy nandritra ny fandrarana

[Sary, pejy 235]

Nitsidika Vavolombelona nitsoa-ponenana avy tany Soudan i Zekaria Belemo, mpiandraikitra mpitety faritany

[Sary, pejy 237]

Fiara tsy mifidy lalana no nampiasaina hitaterana boky sy gazety tany amin’ireo faritra saro-dalana

[Sary, pejy 238]

Kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, natao teto Kinshasa tamin’ny 1995

[Sary, pejy 241]

Gisela sy Sébastien Johnson

[Sary, pejy 243]

Tranon’ireo misionera 12 eto Kinshasa

[Sary, pejy 244, 245]

Nisy fanampiana tonga avy any Eoropa, ary nozaraina tamin’ireo nahantra tamin’ny 1998

[Sary, pejy 246]

Niaritra zava-tsarotra maro vokatry ny ady ireo mpiandraikitra mpitety faritany toa an’i Ilunga Kanama (havia) sy Mazela Mitelezi (mahitsizoro, havia)

[Sary, pejy 252, 253]

1) Betelan’i Kinshasa

2-4) Efitrano Fanjakana vao naorina

5) Rahalahy mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana

[Sary, pejy 254]

Komitin’ny Sampana, havia miankavanana: Peter Wilhjelm, Benjamin Bandiwila, Christian Belotti, David Nawej, Delphin Kavusa, Robert Elongo, Sébastien Johnson, ary Uno Nilsson