Repoblikan’i Congo (Brazzaville)
Repoblikan’i Congo (Brazzaville)
Vao nosokafan’i Etienne ilay fonosan’entana, dia hitany avy hatrany ny lohatenin’ilay boky volomparasy hoe “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo.” Gaga be izy. Azo antoka fa nalefa ho azy ilay entana. Nisy ny anarany teo amin’ilay adiresy hoe: Etienne Nkounkou, talen’ny fanaovana sary ao amin’ny sampan-draharaham-panjakana, Bangui, Afrique Équatoriale française. Tsy nanafatra an’io boky io anefa izy, sady tsy fantany ilay adiresy mpandefa hoe Tilikambo Fiambenana any Soisa. Tsy nampoiziny mihitsy fa hanova ny fiainany ny fahamarinana ara-baiboly tao amin’ilay boky. Io fahamarinana io koa no nanafaka ny Afrikanina namany an’arivo, tamin’ny fivavahan-diso sy ny fanavakavahana ara-poko, sady nanampy azy ireo hahay hamaky teny sy hanoratra. Niaro olona maro koa izy io mba tsy ho babon’ny fampanantenan’ireo mpanao politika, ka tsy ho tratran’ny fahadisoam-panantenana avy eo. Nanome fahatokiana sy fanantenana io fahamarinana io rehefa nitranga ny loza. Nanao vivery ny ainy ireo olona matahotra an’Andriamanitra mba hanampiana ny hafa. Hanohina ny fonao sy hampahery anao ny fitantarana ireny fisehoan-javatra ireny. Hojerentsika ny zavatra niainan’i Etienne taorian’izay, kanefa hodinihintsika aloha ny mombamomba ilay tany afrikanina, tanindrazan’i Etienne.
Nandeha tany amin’ireo tanin’i Amerika i Christophe Colomb, tamin’ny 1492. Folo taona talohan’izay anefa ireo tantsambo portogey niaraka tamin’i Diogo Cão, no tonga teo amin’ny fihaonan’ny Oseana Atlantika sy ny Reniranon’i Congo. Tsy fantatr’ireo tantsambo ireo, fa an’arivo kilaometatra ny halavan’io renirano manoloana azy io.
Nihaona tamin’ny tompon-tany, mponin’ny fanjakan’i Kongo, ireo Portogey. Nandritra ny taonjato maro taorian’izay, dia nividy ivoara sy andevo tamin’ireo Afrikanina teny amin’ny morontsiraka ny Portogey sy Eoropeanina hafa. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 anefa vao sahy niditra tatỳ afovoan-tany ny Eoropeanina. Maro ny olona nikaroka momba an’ilay faritany. Anisan’ny fanta-daza indrindra tamin’izy ireny i Pierre Savorgnan de Brazza, manamboninahitry ny tafika an-dranomasina frantsay. Nanao fifanarahana tamin’ny mpanjaka teto i Brazza tamin’ny 1880, ka nanjary teo ambany fiarovan’i Frantsa ny faritra avaratry ny Reniranon’i Congo. Nantsoina hoe Afrique Équatoriale française ilay faritra tatỳ aoriana, ka i Brazzaville no renivohiny.
Nanjary renivohitry ny Repoblikan’i Congo ankehitriny i Brazzaville, ary izy koa no tanàna lehibe indrindra eto. Eo amoron’ny Reniranon’i Congo no misy azy. Misy 400 kilaometatra eo ho eo ny elanelan’i Brazzaville sy ny morontsiraka, ary mikoriana mafy manavatsava vatolampy ilay renirano mahery rehefa mivarina any an-dranomasina. Teo amin’ny fihaonan’ny Reniranon’i Congo sy ny ranomasina no niantsona ny sambo nentin’i Cão. Raha mijery ny faravodilanitra ianao avy eto Brazzaville, dia afaka mitazana ny tanànan’i Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Samy nandray ny anaran’ilay renirano ireo firenena roa ireo, ka matetika izy ireo no antsoina hoe Congo (Brazzaville) sy Congo (Kinshasa).
Tsy misy sambo afaka mandeha amin’ny Reniranon’i Congo manomboka eo Brazzaville ka hatrany amin’ny Oseana
Atlantika, satria mahery be ny riaka, sady betsaka ny rian-drano. Misy fiarandalamby anefa mampitohy an’i Brazzaville sy ny tanànan’i Pointe-Noire any amin’ny morontsiraka. Mipetraka ao amin’ireo tanàna roa ireo sy eny amin’ny manodidina ny ankamaroan’ny mponin’i Congo. Vitsy mponina ny ankamaroan’ny toerana eto amin’ity tany mafana sy be ala ity, na dia mitatra mianavaratra aza ny tanàna sasany any amin’ny morontsiraka.Nanomboka nanafaka olona ny fahamarinana
Andeha isika hiverina amin’ny tantaran’i Etienne. Tamin’ny taona 1947 no naharaisany an’ilay boky tao anaty fonosan’entana. Tamin’iny andro iny, dia niaraka namaky sy nandinika ireo toko vitsivitsy voalohany i Etienne sy ny mpiara-monina taminy anankiray. Samy niaiky izy ireo fa nahita ny fahamarinana. Nanasa ny namany àry izy ireo ny alahady taorian’izay, mba hiaraka hamaky ilay boky sy hijery ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboly. Tian’ireo olona ireo ilay fianarana, ka tapa-kevitra ny hivory indray izy ireo ny alahady nanaraka. Nanatrika teo koa ilay tompon’andraikitry ny doanina atao hoe Augustin Bayonne tamin’ilay fivoriana fanindroany. Avy eto Brazzaville toa an’i Etienne izy. Lasa mpitory nafana fo koa izy, ka nampiely ny fahamarinana, izay tena manafaka ny olona.
Nahazo taratasy roa i Etienne ny herinandro nanaraka. Olom-pantany tany Cameroun no nandefa ny iray. Nanoratra io olona io hoe nalefany tany amin’ny biraon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tany Soisa ny anaran’i Etienne, satria fantany fa tia fivavahana i Etienne. Avy tany Soisa kosa ilay taratasy faharoa, izay nilaza fa nandefasana boky iray i Etienne. Nampirisika azy hamaky ilay boky sy hiresaka azy io amin’ny fianakaviany sy ny namany, ilay taratasy. Nisy adiresin’ny sampan’i Frantsa niaraka tamin’ilay izy mba hahazoany fanazavana fanampiny. Izay vao fantatr’i Etienne ny antony nahazoany an’ilay boky. Tsy ela dia nifanoratra tamin’ny sampan’i Frantsa izy.
Samy niverina teto Brazzaville i Etienne sy Augustin, rehefa afaka taona vitsivitsy. Talohan’izay anefa, dia nanoratan’i Etienne i Timothée Miemounoua, namany teto Brazzaville, izay mpitantan-draharaha tao amin’ny sekoly teknika iray. Izao no nanombohany ny taratasiny: “Tiako ny milaza aminao, fa tsy ny fahamarinana no narahintsika hatramin’izay. Ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny fahamarinana.” Nanazava izay zavatra nianarany i Etienne. Nampiarahiny tao koa ilay boky hoe “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo.” Nandray tsara an’ilay hafatra ara-baiboly i Timothée, toa an’i Etienne sy Augustin. Izy telo ireo no Kongoley voalohany nandray ny fahamarinana ara-baiboly, ary nanampy olona maro hafa hanao izany koa izy ireo.
Nanasa ny mpianatra tao amin’ilay sekoly teknika i Timothée rehefa hariva, mba hiara-midinika foto-kevitra ara-baiboly. Nangataka boky ara-baiboly hafa koa izy. Nanomboka
niara-nivory sy nitory araka izay vitany izy rehetra ireo. Nanjary mpiandraikitra teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah ny mpianatra sasany, toa an-dry Noé Mikouiza sy Simon Mampouya.Nitsidika teto i Eric Cooke, misionera nipetraka tany Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny), tamin’ny 1950, mba hampahery ireo olona liana vitsivitsy tao Bangui sy Brazzaville. Sarotra anefa ilay izy, satria tsy nahay niteny frantsay ny Rahalahy Cooke. Hoy i Etienne: “Nanetry tena sy tsara fanahy iny rahalahy iny. Diksionera anglisy-frantsay kely iray izay no mba nampiasainy, nefa niezaka mafy izy mba hanazava taminay ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fandaminan’i Jehovah. Voatery naminany izay tiany holazaina mihitsy izahay indraindray.”
Nanomboka ny fameperana
Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy ny fitsidihan’ny Rahalahy Cooke. Noraran’ny mpanjana-tany mantsy ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 24 Jolay 1950. Boky enina monja no napetrak’ireo mpitory teto Afrique Équatoriale française ny taona nanaraka, kanefa 468 ny fivoriana nataon’izy ireo. Nangoraka an’ireo rahalahy ny fandaminana, rehefa nanoratra tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1952, nanao hoe: “Eritrereto hoe mipetraka ao amin’ny faritany midadasika ianao, nefa 37 monja no mpitory ilay Fanjakana, ary miparitaka eran’ilay tany izy ireo. Mety ho tsy nahita vavolombelona hafa mihitsy ianao, afa-tsy ireo vitsivitsy ao amin’ny tanàna misy anao. Tao amin’ny boky aman-gazety sy taratasin’ny Fikambanana voarainao ihany no mba nahafantaranao momba ny fahamarinana sy ny fomba fitoriana.
[Izany no zavatra] iainan’ireo rahalahy any amin’ny firenena afrikanina tantanan’ny Frantsay.”Tonga koa i Jacques Michel, avy tany Frantsa, mba hampahery sy hampiofana ireo mpitory. Tsaroan’i Noé Mikouiza, mpianatra tao amin’ilay sekoly teknika, fa anisan’ny fanontanian’izy ireo ny hoe: “Tsy azo atao ve ny misotro divay?” Nibanjina ny Rahalahy Michel avokoa izy rehetra, rehefa nanokatra ny Baiboly tao amin’ny Salamo 104:15 izy. Namaky ilay andinin-teny i Jacques, ary nanazava fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny divay, kanefa tsy tokony hisotro be loatra ny Kristianina.
Nazoto nitory ireo rahalahy vao vita batisa teto Brazzaville. Nandeha baka niampita renirano izy ireo isaky ny faran’ny herinandro, mba hitory tany Kinshasa. Tamin’ny 1952 no natao batisa ireo Vavolombelona kongoley voalohany tany atsimon’ny renirano. Niezaka mafy ny rahalahy teto Brazzaville mba hanampy ny rahalahy tany Kinshasa tamin’ireny taona ireny. Nifamadika anefa izany andraikitra izany tatỳ aoriana.
Nanao fivoriambe teto Brazzaville ireo rahalahy, tamin’ny Desambra 1954. Nisy 650 no nanatrika, ary 70 no natao batisa.
Nihamaro hatrany ireo olona nahita ny fahamarinana sy afaka tamin’ny fivavahan-diso. Mazava ho azy anefa fa tsy faly tamin’izany ireo mpitondra fivavahana, ka nampirisika ny manam-pahefana hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihevitra ny polisy fa i Timothée Miemounoua no mpitarika ny Vavolombelona, ka matetika izy no nampanantsoina tany amin’ny paositry ny polisy. Norahonana sy nokapohina izy, nefa tsy nety kivy. Tsy nampatahotra ny mpanompon’i Jehovah hafa teto Brazzaville koa izany. Nihamaro hatrany ireo olona liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly.Nandray fepetra hafa indray àry ny manam-pahefana. Samy mpiasam-panjakana i Timothée Miemounoua sy Aaron Diamonika, izay anisan’ny mpianatry ny sekoly teknika nanaiky ny fahamarinana. Nafindran’ny fanjakana tany amin’ny toerana lavitra be izy ireo, tamin’ny 1955. Nalefa tany Djambala i Timothée, ary tany Impfondo i Aaron. Nandamòka tanteraka anefa izany tetika natao hampijanonana ny asa fitoriana izany. Nazoto nitory foana ny rahalahy teto Brazzaville, ary i Timothée sy Aaron kosa nanokatra faritany vaovao, ka nanorina fiangonana tany amin’ny toerana nandefasana azy ireo. Nila fanampiana anefa ireo rahalahy na dia be zotom-po aza. Tsy ela dia tonga izany fanampiana izany.
Tonga ireo misionera efatra voalohany avy tany Frantsa, tamin’ny Martsa 1956, dia i Jean sy Ida Seignobos, ary i Claude sy Simone Dupont. Nasiana biraon’ny sampana teto Brazzaville tamin’ny Janoary 1957, mba hiandraikitra ny asa fitoriana nanerana an’i Afrique Équatoriale française. Voatendry ho
mpikarakara ny sampana ny Rahalahy Seignobos. Matin’ny lozam-piarakodia anefa i Ida vadiny, taoriana kelin’izay, rehefa nitsidika fiangonana tany amin’ny toerana antsoina ankehitriny hoe République centrafricaine, izy mivady. Nanohy ny fanompoana nanendrena azy ihany i Jean.Fitoriana tany afovoan-tany
Mpiandraikitra ny faritra i Augustin Bayonne nandritra izany fotoana izany. Nitsidika ireo tanàna tany afovoan’ny ala izy, ary tonga hatrany amin’ireo Pygmées tany avaratra sy andrefana. Nandeha an-tongotra foana izy, sady nandeha lavitra be, ka nanjary nantsoina hoe Ilay Mpanao Dia Lavitra. Niaraka tamin’ny Rahalahy Bayonne i Jean Seignobos indraindray. Gaga i Jean, satria fantatr’ireo mponina tany afovoan’ny ala fa ho avy izy mirahalahy. Nampitaina tamin’ny alalan’ny amponga mantsy ny hafatra hoe: “Tonga any Ilay Mpanao Dia Lavitra, miaraka amina lehilahy fotsy hoditra.”
Betsaka ny vokatra azo tamin’ireny dia lavitra ireny. Nihevitra ny olona taloha, fa teto Congo (Brazzaville) ihany no nisy Vavolombelon’i Jehovah. Nanaporofo ny fahadisoan’izany anefa ny fahatongavan’ny Rahalahy Seignobos sy ny misionera hafa, ary ny fampisehoana ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa.
Nitatra hatrany ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ireo tanàna tany afovoan’ny ala, sady nanafaka ny olona tamin’ny fifandraisana tamin’ny fanahy ratsy sy ny adim-poko. Rahalahy
maro no tsy nahay namaky teny sy nanoratra tany amin’ireny toerana ireny. Tsy nanana famantaranandro koa izy ireo, ka tamin’ny alalan’ny masoandro fotsiny no namaritany ny fotoana handehanana hivory. Hazokely no nampiasaina mba hanisana ny ora lany tamin’ny fanompoana. Isaky ny avy nitory tamin’ny olona iray izy ireo, dia nametraka hazokely iray tao anaty mosara. Hazokely efatra no isaina ho adiny iray. Afaka nameno tatitra momba ny fanompoana àry izy ireo rehefa faran’ny volana. Azo antoka anefa fa betsaka lavitra noho ny tao amin’ny tatitra ny fitoriana vitan’ireo rahalahy, satria nifandray tamin’ny fahamarinana foana ny resaka nataon’izy ireo tamin’ny olona.Fiovana ara-pitsarana sy ara-politika
Hitantsika fa tsy nampijanona ny asa fanaovana mpianatra ilay fandrarana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1950. Very hevitra ireo mpitondra fivavahana ka nitaraina tany amin’ny manam-pahefana, ary nanendrikendrika ny Vavolombelon’i Jehovah ho Kominista. Rahalahy folo àry no nosamborina indray alakamisy tamin’ny 1956, tamin’ny dimy ora maraina. Tsy ela dia nalaza ilay fisamborana, ka faly ireo mpanohitra. Tamin’iny andro iny ihany no nanaovana ny fitsarana, ary maro be ny rahalahy tonga mba hijery ny fizotran’ilay raharaha.
Mitantara toy izao i Noé Mikouiza: “Noporofoinay nandritra ilay fitsarana fa tsy Kominista izahay fa Kristianina, sady mpanompon’Andriamanitra manatanteraka izay voalaza ao amin’ny Matio 24:14. Nilaza ilay mpisolovava niaro anay, izay efa namaky ny bokintsika, fa tsy hisy mihitsy ny mpandika lalàna raha sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah avokoa ny olona rehetra. Navoaka ny didim-pitsarana ny tolakandro, ka nambara fa ‘tsy meloka’ ireo rahalahy. Faly izahay rehetra, ary nody haingana mba hisolo akanjo, satria nisy fivoriana ny harivan’iny. Nalaza be tao an-tanàna ilay fisamborana, ka tianay ho fantatry ny olona rehetra fa afaka madiodio izahay. Nataonay mafy araka izay tratranay ny hiran’ilay Fanjakana tany amin’ny fivoriana. Maro tamin’ireo nandre anay no tezitra, satria nantenainy higadra izahay.”
Nahazo fahaleovan-tena ny Repoblikan’i Congo, tamin’ny 15 Aogositra 1960. Nanomboka anefa ny korontana ara-politika. Nandray anjara lehibe tamin’ireny korontana ireny ny mpitondra fivavahana, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa nitory foana. Nisy 3 716 no nanatrika ny fivoriamben’ny faritra teto Brazzaville, tamin’ny 1960. Maro be koa ny olona namonjy fivoriana, tany amin’ny faritra avaratra. Nisy 70, ohatra, ny mpitory tany amin’ny faritra iray, nefa efa ho arivo ny isan’ny mpanatrika fivoriana.
Tamin’ny Desambra 1961, dia nekena ho ara-dalàna ny fikambanana Les Témoins de Jéhovah. Nahazoana tombontsoa izany fanekena ho ara-dalàna izany, kanefa fantatr’ireo rahalahy fa tsy fahendrena ny miantehitra amin’izany. Mitantara izay nitranga taoriana kelin’izay ny Rahalahy Seignobos: “Indray andro dia nampiantso ahy ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny birao miantoka ny fiarovana, izay tsy faly taminay, satria tsy nanaiky hanao politika izahay. Nandrahona ny handroaka ahy hiala teto izy. Natahotra aho sao hotanterahiny tokoa izany teniny izany, satria nanana fahefana hanao izany izy. Matin’ny aretim-po anefa izy ny ampitson’iny.”
Ny fiainan’ny misionera nandritra ireo taona 1960
Tonga avy tany Haïti i Fred Lukuc sy Max Danyleyko tamin’ny Febroary 1963. Nanambady i Fred tatỳ aoriana, ary voatendry ho mpiandraikitra ny faritra. Tsy hainy tamin’ny voalohany ny namantatra hoe iza avy no fianakaviana iray, tao amin’ny fiangonana notsidihiny. Hoy izy: “Tsy haiko ny nanavaka ny vady aman-janaky ny anti-panahy, satria tsy antsoina amin’ny anaran’ny vadiny ny vehivavy any Afrika Afovoany, ary mitondra ny anaran’ny havana na namana ny ankizy.”
“Tsapanay fa tsy sahy niresaka taminay ireo rahalahy, tamin’ilay hariva nitsidihanay azy ireo voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nahita zavatra hafahafa koa izahay rehefa nanomboka ny fivoriana. Nipetraka teo amin’ny andaniny iray tamin’ilay efitrano ny rahalahy sy ny ankizilahy efa lehibe, fa ny ankizikely sy ny anabavy kosa teny amin’ny andaniny iray. Efa feno ny toerana nisy ireo rahalahy rehefa nanomboka ny fivoriana, fa mbola vitsy kely kosa no nipetraka teny amin’ilay andaniny nisy ny anabavy. Tonga tsikelikely avy eo ny anabavy, niaraka tamin’ny ankizikely, sady niloloha Baiboly sy boky.”
“Nitsangana aho mba hiarahaba ny fiangonana, ary nampahafantatra ny tenako sy ny vadiko. Niato kely aho avy eo, ary nitodika tany amin’ireo lehilahy, sady niteny hoe: ‘Ry rahalahy, aoka ianareo mba hanatona ny vadinareo sy ny zanakareo, ary manomboka izao dia aoka hiara-mipetraka ny fianakaviana, fa izany no fanaon’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany.’ Nankatò izy ireo sady faly.”
Zava-nanahirana ihany koa ny fitateram-bahoaka. Hoy i Leah, vadin’ny Rahalahy Lukuc: “Nitondra kidoro kely sy lay aro moka izahay, ary koa siny, fitantavanan-drano, fitafiana, boky sy gazety ary sarimihetsika ara-baiboly. Tsy maintsy
nentina koa ny kabla elektrika, ny jiro, ny bandin’ilay filma, ny soratra ho an’ilay fampisehoana tantara, gropy kely, ary daba fasiana lasantsy. Kamiao teo an-toerana no nitondranay an’izany rehetra izany. Tsy maintsy tonga tamin’ny roa ora maraina anefa izahay, raha te hipetraka tao aloha. Raha tsy izany, dia tsy maintsy nipetraka tao aoriana niaraka tamin’ny biby sy ny entana ary mpandeha maro hafa izahay, sady niaritra ny hainandro.”“Nandeha an-tongotra ora maro tamin’ny andro mafana be izahay indray mandeha. Efa nirohotra nankao amin’ilay trano tany kely nipetrahanay anefa ny andiam-bitsika. Nianika teo amin’ny siny izy ireo, mba hanakarana boaty kely nisy dibera, ary lanin’izy ireo daholo ilay izy. Mofo maina sy antsasaka saridinina avy no nohaninay ny harivan’iny. Tena reraka izahay, sady nitsetra tena kely ihany, ka nandeha natory. Ireo rahalahy kosa nihira ny hiran’ilay Fanjakana moramora teo an-tokotany, sady nitanina afo. Izany ka fomba tsara ahitana tory!”
Misionera sy anti-panahy nahatoky
Misionera 20 mahery no nanompo teto Congo (Brazzaville), tamin’ny 1956 ka hatramin’ny 1977. Nampandroso ny
fitoriana ilay Fanjakana izy ireo, na dia sarotra aza ny fiainany. Misionera avokoa, ohatra, ireo voatendry ho mpikarakara ny sampana. Rehefa niverina tany Frantsa ny Rahalahy Seignobos tamin’ny 1962, dia notendrena hiandraikitra ny asa fitoriana i Larry Holmes. Voatendry ho mpikarakara ny sampana ny Rahalahy Lukuc, rehefa niala tamin’ny asa misionera i Larry sy Audrey vadiny, tamin’ny 1965.Maro tamin’ireo rahalahy teto an-toerana koa no namela ohatra tsara rehefa niandraikitra ny asa. Nanendry rahalahy telo ho anisan’ny Komitin’ny Sampana ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 1976: Jack Johansson sy Palle Bjerre, izay samy misionera, ary i Marcellin Ngolo, rahalahy teto an-toerana.
Nanatrika ny kilasy faha-37 tamin’ny Sekolin’i Gileada i Augustin Bayonne, Ilay Mpanao Dia Lavitra, tamin’ny 1962. Nankany amin’ny République centrafricaine izy rehefa nahazo diplaoma. Tany no namakiany an’ilay boky “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo”, efa ho 15 taona lasa izay. Nanambady i Augustin, ary nanan-janaka, ka niverina teto Brazzaville. Nomeny hanaovana fivoriana ny tranony, ary nanome tany koa izy tatỳ aoriana, mba hanorenana Efitrano Fanjakana.
Efa nodimandry i Augustin Bayonne sy Timothée Miemounoua. Nanoratra ny sasany tamin’ireo zavatra hitany i Timothée talohan’ny nahafatesany. Ny Hebreo 10:39 no namaranany ny fitantarany, manao hoe: “Isika tsy mba anisan’izay mihemotra ho amin’ny fandringanana, fa anisan’ireo manam-pinoana ho amin’ny famonjena ny aina.” Efa mananika ny 90 taona izao i Etienne Nkounkou, iray tamin’ireo telo lahy nandray ny fahamarinana voalohany teto Congo. Nanome ohatra tsara tokoa ireny rahalahy nahatoky ireny!
Fotoam-pisedrana
Fitondrana kominista indray no nitondra ny Repoblikan’i Congo, tamin’ny Aogositra 1970. Taona vitsivitsy talohan’izay, dia nendrikendrehin’ny manam-pahefana ho Kominista ireo rahalahy, ka nampijalin’izy ireo. Rehefa ny Kominista indray anefa no nitondra, dia halan’ny manam-pahefana vaovao ireo rahalahy, satria tsy Kominista!
Tsy nanembantsembana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ilay fitondrana vaovao, tamin’ny voalohany. Natao an-kalalahana ny fivoriambe sy fivoriana, ary navela hiditra teto ireo misionera vaovao. Nanomboka nampahory an’ireo rahalahy anefa ny Kominista rehefa nandeha ny fotoana. Voalohany, dia nampangain’ny manam-pahefana sasany ho mpitsikilo ireo misionera. Avy eo, tamin’ny 3 Janoary 1977, dia nambara tamin’ny fomba ofisialy fa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noroahina tsikelikely ireo misionera, ka i Jack sy Linda Johansson sisa no tafajanona. Hoy i Jack momba izany fotoana izany: “Ireo volana vitsivitsy nipetrahanay irery tao amin’ny biraon’ny sampana no tena nisedra, nefa nanatanjaka ny finoanay indrindra. Nahiahina ho mpiasan’ny Sampam-pitsikilovana Amerikanina izahay.
Nosamborina sy novonoina ireo nanohitra ny fitondrana, ka anisan’izany ny mpitondra fivavahana. Fantatray àry fa tena notandindomin-doza izahay. Tsapanay anefa fa niaro anay i Jehovah, ary nanatanjaka ny finoanay izany.”Nanao fangatahana tamin’ny praiminisitra i Noé Mikouiza, mba havela hijanona i Jack sy Linda. Tsy nekena anefa ilay fangatahana, ka tsy maintsy nandeha izy ireo. Nalain’ny fanjakana ny fananan’ny sampana sy ireo Efitrano Fanjakana, ary nakatona ny biraon’ny sampana. Ny sampan’i Frantsa aloha no niandraikitra ny asa fitoriana, ary ny sampan’i Kinshasa no niandraikitra izany tatỳ aoriana.
Voafetra ny asan’ireo rahalahy, nefa tsy niharan’ny fanenjehana mahery vaika toy ireo Vavolombelona tany an-tany hafa izy ireo. Nanjary natahotra anefa ny rahalahy sasany, ary nifindra izany toe-tsaina izany. Nivory tsy tapaka ihany ireo rahalahy, saingy tsy nitory isan-trano intsony. Nandefa anti-panahy àry ny sampan’i Kinshasa mba hampahery azy ireo.
Anisan’ireny anti-panahy ireny i André Kitula. Nanomboka nanao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra izy tamin’ny
Jona 1981, ary nitsidika ireo fiangonana 12 teto Brazzaville. Nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ireo rahalahy ny talata, rehefa nitsidika ny fiangonana voalohany teo amin’ilay tanàna izy. Tsy nisy mpitory tonga anefa tamin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ny alarobia maraina. Nandeha nitory irery i André, ary nilaza ny olona iray nitoriany hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no mba nampionona anay tetỳ, nefa tsy hita intsony izy ireo izao!”Nifanena tamin’ny rahalahy iray i André tamin’iny maraina iny, ka hoy ilay rahalahy: “Efa tsy zatra mitory isan-trano intsony izahay rehetra.” Nolazain’io rahalahy io tamin’ny mpitory hafa avy eo hoe nandeha nitory i André. Nisy anabavy maro tonga tamin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ny tolakandron’iny. Tsy ela dia nitohy indray ny fitoriana isan-trano teto Brazzaville. Tsy nisy rahalahy voasambotra na dia iray aza, nandritra ireo telo taona nanompoan’i André sy Clémentine vadiny teto. Ren’ireo rahalahy tany ivelan’ny renivohitra izany. Nanatsoaka hevitra àry izy ireo hoe, raha tsy natahotra nandeha isan-trano ireo rahalahy teto Brazzaville, dia tsy nisy tokony hatahoran’izy ireo koa.
Tena faly ny sampan’i Kinshasa nandefa fanampiana ho an’ireo rahalahy tany ampitan’ny renirano. Manazava ny anton’izany i David Nawej, izay niasa tao amin’ny sampan’i Kinshasa tamin’izay. Hoy izy: “Ireo rahalahy tany Brazzaville no nitondra ny fahamarinana teto Kinshasa. Rehefa nanakantsakana ny asantsika ny Kominista, dia ny Vavolombelona avy eto Kinshasa indray no nanampy an’ireo rahalahy tany Brazzaville. Marina tokoa ny voalazan’ny Mpitoriteny 4:9, 10, hoe: ‘Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany.’ Raha ny momba anay kosa, dia afaka milaza ireo rahalahy hoe: ‘Tsara ny Congo roa noho ny iray.’”
Fandrosoana nandritra ny korontana ara-politika
Nisy korontana sy fiovana ara-politika maro, tamin’ny taona 1991. Antoko politika tokana ihany no nisy teto Congo (Brazzaville) teo aloha, nefa nihamaro izany. Nanao fety teny amin’ny arabe ny olona noho ilay fiovana, fa ireo rahalahy kosa nitadidy ilay fampitandremana ao amin’ny Salamo 146:3, manao hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Tsy ela dia voaporofo fa marina ireo teny ireo.
Nitondra soa ho an’ny vahoakan’i Jehovah ihany anefa ireo fiovana ara-politika. Namoaka didy nanaisotra ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny minisitry ny atitany, tamin’ny 12 Novambra 1991. Naverina ireo Efitrano nalain’ny fanjakana. Tsy naverina anefa ny tranon’ny sampana, fa mbola ipetrahan’ny Mpiambina ny Filoham-pirenena hatramin’izao. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao teto Brazzaville sy tany Pointe-Noire tamin’ny Aogositra 1992, ary izay indray vao nisy fivoriambe tao anatin’ny 15 taona. Nahatratra 5 675 ny mpianatra Baiboly tamin’io taona io, izany hoe efa ho avo efatra heny noho ny isan’ny mpitory!
Nahazo niditra ny misionera vaovao tamin’izay, satria efa voasoratra ara-dalàna ny fikambanana. Nisy mpisava lalana manokana notendrena hanompo tany amin’ny faritra avaratra, satria tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny ankamaroan’ireo mpanatrika ny fivoriana tany. Efa nampianatra olona maro namaky teny sy nanoratra ireo fiangonana tany an-tanàn-dehibe. Tsapa anefa fa tokony hitarina manerana an’ilay firenena manontolo ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.
Niova indray ny fitondrana noho ny fifidianana natao tamin’ny 1993. Nandray fepetra amin’ny tany misy hotakotaka ny fanjakana nandritra ny herinandro maromaro, noho ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpanohitra. Nanjary fahita isan’andro ny fifandonana, fitokonana, tsy fahazoana nivezivezy tamin’ny alina, barazy, ary fandrobana fananana. Tezitra sy diso fanantenana ny olona. Niharatsy hatrany ny toe-karena. Hadino tanteraka ilay fifaliam-be tamin’ny 1991.
Nipoitra niaraka tamin’ny korontana ara-politika koa ny olana teo amin’ireo foko samihafa. Tsy maintsy nifindra tany amin’ny toerana tsy nampidi-doza kokoa ireo rahalahy noho ny adim-poko. Voatery nofoanana àry ny fiangonana sasany. Nasehon’ireo rahalahy foana anefa fa tsy nankahala ny olona tsy nitovy foko taminy izy ireo, satria nahalala ny fahamarinana. Nifanampy sy nifampiaro izy ireo rehefa nisy hotakotaka, na inona na inona foko niaviany. Olona maro no nanomboka nahita fa i Jehovah irery ihany no afaka manome ny tena fiadanana.
Nanome tari-dalana sy fampaherezana ny sampan’i Kinshasa. Nilamina indray ny firenena tamin’ny faramparan’ny 1996, ary nahatratra 3 935 ny isan’ny mpitory. Teto Brazzaville ihany no nisy tranon’ny misionera tamin’izany, ary misionera dimy no nanompo teto. Nisy tranon’ny misionera iray nosokafana tany Pointe-Noire tamin’ny Aprily 1997, rehefa tonga ny mpivady misionera roa hafa.
Nilamina ny fiainana teto Congo (Brazzaville), ary nandroso tsara ny fitoriana ilay Fanjakana. Nisy fifandonana anefa teny ampitan’ny renirano, izany hoe tatsy Congo (Kinshasa). Tsy maintsy nafindra toerana ireo misionera rehefa nihananatona ny ady. Niara-nanompo tamin’ireo namany teto Brazzaville sy tany Pointe-Noire àry ireo misionera tamin’ny faramparan’ny volana Mey. Tsy nisy nanampo izay loza hitranga andro vitsivitsy taorian’izay.
Nipoaka ny ady an-trano
Nipoaka tampoka ny ady teto Brazzaville tamin’ny 5 Jona 1997. Niady ny miaramilan’ilay filoha am-perinasa sy ny mpanohana an’ilay mpitondra teo aloha. Potiky ny tafondro ny renivohitra sy ny manodidina. An’arivo ny olona maty. Niampatrampatra tetsy sy teroa ny fatin’olona. Nisafotofoto ny tao an-tanàna. Tsy fantatra intsony ireo mpifanandrina. Nanjavona ilay fiadanana nananan’i Brazzaville. Tsy niasa intsony ireo sambo nankany Kinshasa. Olona maro no nandositra tany anaty ala, ary ny sasany nandeha lakana hamonjy ireo nosy kely. Nisy ihany anefa ireo niezaka niampita ny Reniranon’i Congo hankany Kinshasa. Nisy ady ihany koa tany Kinshasa, saingy mbola nalefaka kokoa izany raha nampitahaina tamin’ny teto Brazzaville.
Niharan’ny zava-manahirana toy ny olon-drehetra ihany ireo rahalahy, saingy nanana filaminan-tsaina sy fiadanam-po izy ireo, satria nanana ny fahamarinana! Natokisan’izy ireo tanteraka ny teny ao amin’ny Salamo 46:1, 2, manao hoe: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra.”
Rahalahy maro no niezaka nankany Kinshasa, ary nanao fandaharana ny Komitin’ny Sampana mba hahazoan’izy ireo sakafo sy fialofana ary fitsaboana. Faly ireo fianakaviana tany Kinshasa nampiantrano an’ireo Kristianina namany avy eto Brazzaville.
Nisy rahalahy sasany nijanona teto Brazzaville, mba hanampy an’ireo tsy afaka nandositra. Anisan’izy ireny i Jean Théodore Otheni sy Jeanne vadiny, izay mpisava lalana maharitra. Voatifitry ny tafondro ny tranon’izy ireo tamin’ny Aogositra, ka naratra mafy i Jeanne. Nitondra azy haingana tany Kinshasa i Jean, saingy tsy tana intsony ny ainy. Hoy i Jean: “Tena tia ny fanompoana i Jeanne, hatramin’ny fotoana
nahafatesany. Nomeny ahy ny karine fandraisany adiresy, ary nilaza izy hoe: ‘Tsy maintsy tsidihinao daholo ny mpianatro rehetra, satria tena tiako izy ireo.’ Nanoroka azy aho, ary nijery ny tarehiny indray, kanjo efa maty izy.” Nazoto nanompo an’i Jehovah foana i Jean, toy ny maro hafa, sady natoky tanteraka ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty.Tsy nisy baka intsony nampitohy ireo renivohitra roa, ka izay olona nanana sambo kely no nitatitra ny olona niala an’i Brazzaville. Nisy rahalahy nahery fo, toa an-dry Louis-Noël Motoula sy Jean-Marie Lubaki ary Symphorien Bakeba, nanolo-tena hitady an’ireo rahalahy mbola tsy hita, sy hanampy an’ireo nijanona teto Brazzaville. Tsy maintsy nisetra ny riaka maherin’ny Reniranon’i Congo izy ireo, ary nandeha sambo kely nankeny amin’ireo nosy kely sy morontsiraka, mba hitady ireo rahalahy. Niditra tamin’ireo faritra nisy ady teto Brazzaville koa izy ireo, na dia feno habibiana aza ireny faritra ireny. Nanao vivery ny ainy ho an’ny rahalahiny izy ireo.
Efa zatra niampita an’ilay renirano i Symphorien, ka nivezivezy teo nandritra ilay ady an-trano. Nitondra ny sambony izy indraindray mba hanampiana ireo nijanona teto Brazzaville. Indray mandeha, ohatra, dia nitondra vary folo kitapo
izy, mba ho an’ireo rahalahy mbola afaka nijanona teto Brazzaville. Sarotra ny niampita ilay renirano, nefa mbola sarotra kokoa noho izany ny niaro an’ilay vary tsy ho lasan’ny mpandroba. Anisan’ny mpandeha tamin’io dia io ny lehilahy nanan-kaja iray. Nanontaniany an’i Symphorien ny toerana hitondrana an’ilay vary. Nanazava taminy ny zavatra nataony i Symphorien, sady nanararaotra nitory ny fanantenana tao amin’ny Baiboly. Rehefa tonga teny an-tanety izy ireo, dia nilaza ilay olona fa manam-pahefana ambony ny tenany. Niantso miaramila vitsivitsy izy mba hiambina an’ilay vary, mandra-pahitan’i Symphorien fiara hitondra azy tany amin’ireo rahalahy.Matetika koa i Symphorien no nanampy an’ireo rahalahy hiampita ny renirano, mba handositra an’i Brazzaville. Nisy dia iray tsy hadinony mihitsy anefa. Hoy izy: “Tena mahery ny Reniranon’i Congo. Efa fantatry ny ankamaroan’ny olona anefa ny fomba hahatongavana soa aman-tsara eny ampita, mba tsy ho lasan’ny rano. Rahalahy fito sy olona dimy hafa no niaraka taminay niala teto Brazzaville. Lany lasantsy teny afovoan-drano anefa izahay. Niezaka nivoy nankeny amin’ny nosy kely iray izahay, ary niantsona teny. Maivamaivana erỳ izahay rehefa nisy sambo kely tonga, sady nampanantena ilay nitondra azy fa hividy lasantsy ho anay tany Kinshasa, ary hitondra izany hiverina. Nitaintaina aoka izany izahay teo am-piandrasana azy, nefa tonga ihany izy rehefa afaka adiny iray sy sasany.”
Tsy ela dia nahatratra 1 000 ireo rahalahy sy anabavy, niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny olona liana, nokarakarain’ny sampan’i Kinshasa. Tapitra ny ady tamin’ny Oktobra 1997, ary nanomboka niverina teto Brazzaville ireo mpitsoa-ponenana.
Efa nafindra toerana avokoa ireo misionera nanompo teto Brazzaville sy tany Pointe-Noire noho ny ady. Ny sasany nankany amin’ny tany niaviany tany Grande-Bretagne sy
Alemaina, fa ny hafa kosa nankany Bénin sy Côte d’Ivoire. Rehefa nihatony ny toe-draharaha, dia niverina tamin’ny fanendrena azy teto Congo (Brazzaville) ny misionera sasany. Nisy mpivady telo sy rahalahy mpitovo iray koa tonga avy tany Frantsa, tamin’ny Desambra 1998. Nafindra teto Brazzaville i Eddy sy Pamela May, misionera za-draharaha nanompo tany amin’ny sampan’i Kinshasa, ary nisy tranon’ny misionera iray hafa nosokafana.Nipoaka indray ny ady an-trano
Nipoaka indray ny ady an-trano ny taona nanaraka. An’arivo indray no maty, anisan’izany ny Vavolombelona maro. Nafindra tany amin’ny tranon’ny misionera tany Cameroun ny ankamaroan’ireo misionera vao tonga. Nijanona tany Pointe-Noire ny misionera telo, na dia nalaza aza fa ho tonga hatrany amin’ny morontsiraka ny ady. Nifarana ihany ny ady tamin’ny Mey 1999.
Betsaka ny Vavolombelona tsy maintsy nandositra, ka nihena ho 89 ireo fiangonana 108 nanerana ilay tany. Misy fiangonana 23 izao eto Brazzaville, ary misy mpitory 1 903. I Pointe-Noire kosa manana fiangonana 24 sy mpitory 1 949. Nanome fanampiana an’ireo rahalahy sy anabaviny ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toerana maro, nandritra ireo ady an-trano roa. Mazava ho azy anefa fa nahazo tamin’ireny fanampiana ireny foana koa na dia ireo tsy Vavolombelona aza.
Tsy latsaka ny 16,2 mihitsy ny antsalan’ny ora fanompoan’ireo Vavolombelona teto Congo (Brazzaville), na dia teo aza ny ady, mosary, aretina, ary ny zava-manahirana hafa. Mpanompo manontolo andro ny 21 isan-jaton’ny mpitory, tamin’ny fifaranan’ny ady an-trano faharoa tamin’ny Aprily 1999.
Mahafaly ny fahamarinana
Efa saiky rava tanteraka mihitsy ilay firenena noho ny ady. Misy asa fanarenana atao eto Brazzaville ankehitriny, nefa
mbola betsaka ny ezaka tokony hatao. Ny fanorenana Efitrano Fanjakana no anisan’ny tena zava-dehibe amin’izany, satria ao amin’izy ireny no ianaran’ny olona ny fahamarinana ara-baiboly. Efitrano Fanjakana efatra no notokanana tamin’ny Febroary 2002, ka ny roa tany Pointe-Noire, ary ny roa teto Brazzaville.Nandritra ny fitokanana iray, dia nisy rahalahy nitantara izay nitranga 15 taona talohan’izay, raha mbola voarara ny asa. Nanomana fivoriambe iray andro ireo rahalahy tamin’ny 1 Janoary, teo amin’ny toerana malalaka iray. Nanantena izy ireo fa tsy hisy hanelingelina ilay fandaharana, satria nankalaza taom-baovao ny olona. Rehefa tapitra anefa ny fandaharana maraina, dia tonga ny polisy, ka nandrava ilay fivoriambe. Hoy ilay rahalahy: “Nanganohano ny masontsika tamin’iny, rehefa nandao an’ilay toerana nanaovana fivoriambe. Mbola manganohano koa ny masontsika tafavory eto androany, nefa ranomasom-pifaliana izany, satria tonga eto isika mba hitokana Efitrano Fanjakana vaovao.” Ilay toerana nanaovana fivoriambe tokoa mantsy no nanorenana an’io Efitrano Fanjakana tsara tarehy io!
Efa 50 taona mahery izay no nahitan’i Etienne Nkounkou sy Augustin Bayonne ary Timothée Miemounoua ny fahamarinana, tao amin’ny boky “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo.” Olona an’arivo no nanahaka ny oha-pinoan’izy ireo, teto Congo (Brazzaville). Mahavelom-panantenana koa ny hoavy, satria mbola maro be no hanara-dia azy ireo. Fampianarana Baiboly maherin’ny 15 000 izao no tarihina eto, izany hoe avo 3,5 heny noho ny isan’ny mpitory! Nahatratra 21 987 ny mpanatrika ny fahatsiarovana tamin’ny 2003. Tamin’ny faran’ny taom-panompoana 2003, dia nisy 4 536 ny mpitory, ka misionera ny 15. Samy mazoto manampy olona izy ireo, ary mampianatra ny fahamarinana izay manafaka ny olona.—Jaona 8:31, 32.
[Teny notsongaina, pejy 143]
Nampitaina tamin’ny alalan’ny amponga ny hafatra hoe: “Tonga any Ilay Mpanao Dia Lavitra, miaraka amina lehilahy fotsy hoditra”
[Teny notsongaina, pejy 144]
Tsy nanana famantaranandro ireo rahalahy, ka tamin’ny alalan’ny masoandro fotsiny no namaritany ny fotoana handehanana hivory
[Teny notsongaina, pejy 151]
‘Nandeha natory izahay, fa ireo rahalahy kosa nihira ny hiran’ilay Fanjakana moramora teo an-tokotany, sady nitanina afo. Izany ka fomba tsara ahitana tory!’
[Efajoro, pejy 140]
Indray Mitopy Maso An’i Congo (Brazzaville)
Ilay tany: Ireto avy ny firenena manodidina ny Repoblikan’i Congo (Brazzaville): Gabon, Cameroun, République centrafricaine, ary ny Repoblika Demokratikan’i Congo (Kinshasa). Lehibe kokoa noho i Failandy na Italia ilay tany. Misy tany lemaka mirefy 60 kilaometatra avy eo amin’ny morontsiraka mankany afovoan-tany, ary avy eo misy lembalemba mihoatra ny 800 metatra. Feno ala mikitroka sy renirano lehibe kosa ny faritra hafa rehetra.
Mponina: Misy foko maro eto, ary maherin’ny telo tapitrisa ny isan’ny mponina. Ahitana Pygmées any amin’ireo faritra misy ala mikitroka.
Fiteny: Ny teny frantsay no fiteny ofisialy, kanefa betsaka koa ny miteny lingala any amin’ny faritra avaratra. Monokutuba kosa no fiteny any atsimo.
Fivelomana: Fambolena sy fiompiana ary fanjonoana an-dranomasina sy an-dranomamy no iveloman’ny olona. Feno biby any an’ala, ka mora ho an’ireo mahay mihaza ny mahazo sakafo.
Sakafo: Mangahazo na vary matetika no fihinan’ny olona, miaraka amin’ny trondro na akoho nasiana saosy sakay. Betsaka ny voankazo, toy ny manga, mananasy, papay, voasary, ary zavokà.
Toetrandro: Tany mafana sy be orana mandavantaona i Congo. Misy fizaran-taona roa: Vanin-taona manorana, amin’ny Martsa ka hatramin’ny Jona, ary vanin-taona maina, amin’ny Jona ka hatramin’ny Oktobra.
[Tabilao, pejy 148, 149]
CONGO (BRAZZAVILLE)—IREO TAONA NANAN-TANTARA
1940
1947: Nahita ny fahamarinana ny lehilahy iray, tamin’ny alalan’ny boky “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo.”
1950: Nitsidika an’i Brazzaville ilay misionera antsoina hoe Eric Cooke. Voarara ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
1956: Tonga ireo misionera voalohany avy any Frantsa, tamin’ny Martsa.
1957: Nisokatra ny biraon’ny sampana tamin’ny Janoary.
1960
1961: Nosoratana ara-panjakana ny fikambanana tamin’ny 9 Desambra. Mbola voarara anefa ny boky sy gazety nandritra ny herintaona.
1977: Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalaina an-keriny ny fananan’ny sampana, ary noroahina ireo misionera.
1980
1981: Nanampy ny mpitory i André Kitula mba hanohy indray ny asa fitoriana.
1991: Nanafoana ilay fandrarana ny minisitry ny atitany. Nalamina ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany tao anatin’ny 15 taona.
1993: Latsaka an-katerena ny firenena noho ny korontana sy ny adilahy politika.
1997: Nipoaka ny ady an-trano tamin’ny 5 Jona. Nesorina teto an-toerana ireo misionera. Nanome sakafo sy fialofana ary fitsaboana ho an’ny mpitsoa-ponenana 1 000 ny sampan’i Kinshasa.
1999: Nipoaka indray ny ady an-trano. Nesorina teto indray ireo misionera.
2000
2002: Efitrano Fanjakana vaovao efatra no notokanana tamin’ny Febroary.
2003: Misy mpitory 4 536 eto Congo (Brazzaville).
[Tabilao]
(Jereo ny boky)
Isan’ny Mpitory
Isan’ny Mpisava Lalana
5 000
2 500
1940 1960 1980 2000
[Sarintany, pejy 141]
(Jereo ny boky)
RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE
CAMEROUN
GUINÉE ÉQUATORIALE
GABON
REPOBLIKAN’I CONGO
Impfondo
Djambala
BRAZZAVILLE
Pointe-Noire
Reniranon’i Congo
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO
KINSHASA
ANGOLA
[Sary, pejy 134]
[Sary, pejy 138]
Anisan’ireo mpianatra Baiboly voalohany tamin’ny 1949, ankavia miankavanana: Jean-Seth Mountsamboté, Timothée sy Odile Miemounoua, sy Noé Mikouiza
[Sary, pejy 139]
Etienne Nkounkou
[Sary, pejy 142]
Nandeha nanerana an’i Congo i Jean Seignobos, ary niampita baka, mba hitsidihana an’ireo fiangonana
[Sary, pejy 147]
Fred sy Leah Lukuc (afovoany), miaraka amin’ny fiangonana nivory tao an-tranon’i Augustin Bayonne
[Sary, pejy 150]
Batisa teo amin’ny Oseana Atlantika tany Pointe-Noire
[Sary, pejy 152]
Nanatrika ny kilasy faha-37 tamin’ny Sekolin’i Gileada i Augustin Bayonne, Ilay Mpanao Dia Lavitra, tamin’ny 1962
[Sary, pejy 153]
Ny trano natao biraon’ny sampana tamin’ny 1967 ka hatramin’ny 1977
[Sary, pejy 155]
Noé Mikouiza
[Sary, pejy 158]
Louis-Noël Motoula sy Jean-Marie Lubaki ary Symphorien Bakeba