Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

“HO AMINAREO anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!” (1 Kor. 1:3) Tsy andrintsika ny fotoana hideran’izay rehetra manam-pofonaina an’i Jehovah, satria mendrika izany izy! (Sal. 150:6) Mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra hatrany anefa isika, sady manao mpianatra, eo am-piandrasana an’izany andro lehibe izany.

Miompana amin’ny fitoriana ny filazantsara ny asan’i Jehovah eto an-tany ankehitriny. (Marka 13:10) Tena zava-dehibe amin’i Jehovah io asa io, ka mangataka ny fanampiany isika eo am-panatanterahana azy io. Fantatsika koa fa afaka mandray soa avy amin’ny vidim-panavotana ny olona tsirairay. (Apok. 14:6, 7, 14, 15) Faly isika satria ‘tafiana hery avy any amin’ny avo’ mba hamitantsika an’io fanompoana io, na dia miatrika toe-javatra sarotra aza!—Lioka 24:49.

Mahafaly ny manao jery todika ny taom-panompoana lasa sy misaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ireo mpanompony mahatoky. Afaka nandresy ny fankahalana miely patrana eran-tany ny vahoakan’i Jehovah, ka naneho fitiavana toa an’i Kristy, noho ny fanampian’ny fanahy masina. Nisongadina izany fitiavana izany tamin’ireo fivoriambentsika. Solontena avy any amin’ny tany maherin’ny zato no namonjy ireo fivoriambe iraisam-pirenena 32, natao nanerana ny kontinanta dimy, nanomboka tamin’ny Jona ka hatramin’ny Desambra 2003. Nadinadinina tamin’ireny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy iraisam-pirenena ireny ireo misionera, mpanompo iraisam-pirenena, ary Betelita manompo ivelan’ny taniny.

Nahazo ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa’ sy ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe isika tamin’ireny fivoriambe ireny. Nolazaina koa fa hohavaozina ny boky fianarana ho amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, ary hampiasaina manomboka amin’ny faramparan’ny taom-panompoana 2004. Hantsoina tsikelikely ireo mpisava lalana tranainy mba hanatrika ilay sekoly miaraka amin’ireo vaovao.

Afaka nanorina Efitrano Fanjakana maro koa isika, indrindra tany amin’ny firenena mahantra, noho ny fanampian’Andriamanitra sy ireo fanomezana voaray. Mitombo ny sakafo ara-panahy ilaina maneran-tany, ka sampana maro no kasaina hitarina. Misy amin’ny fiteny 299 izao ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, ary 139 tapitrisa no efa vita pirinty. Misy amin’ny fiteny 161 ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ary mihoatra ny 93 tapitrisa no efa vita pirinty. Misy amin’ny fiteny 267 kosa ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary maherin’ny 200 tapitrisa no efa vita pirinty.

Faly izahay miarahaba an’ireo 258 845 naneho ny fanoloran-tenany tamin’ny alalan’ny batisa, nandritra iny taom-panompoana lasa iny! Marina fa lasa lasibatr’i Satana manokana ianareo, satria manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsarovy anefa fa hahazo ny fitahian’i Jehovah sy ny fiarovan’ny fanahy masina ianareo, raha mbola manohy ilay hazakazaka eo anoloanareo. (Heb. 12:1, 2; Apok. 12:17) Eny, matokia fa ‘tsy ho rendremana mihitsy ny Mpiaro anareo.’​—Sal. 121:3.

Tena tonga amin’ny fotoana ilana azy mihitsy ilay andinin-teny ho an’ny taona 2004 hoe “Miambena hatrany . . . Miomàna.” (Matio 24:42, 44) Resahin’ny Tenin’Andriamanitra fa mpivahiny eto amin’ity tontolo efa ho rava ity ny Kristianina. (1 Pet. 2:11; 4:7) Noho izany, dia ilaintsika ny mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy, sy manana fiainana tsotra hatrany, ary mandinika tsara ny fontsika. Te handrapaka antsika “ilay dragona lehibe”, ka ataony izay haharevo antsika ao amin’ny tontolony.​—Apok. 12:9.

Tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro, mba hahafahantsika ho mailo hatrany. Hanampy antsika hifikitra amin’ny fanoloran-tenantsika sy hitana ny voadintsika izany. ‘Hihazona mafy hatramin’ny farany ilay toky nananantsika tamin’ny voalohany’ koa isika amin’izay. (Jak. 5:12; Heb. 3:14) Rehefa mamaky Baiboly isan’andro isika, dia tsapantsika hoe tsy miova ny fitsipik’Andriamanitra, fa ity tontolo ity no miharatsy. (Mal. 3:6; 2 Tim. 3:1, 13) Ny fahalalana miorina amin’ny Baiboly no hanampy antsika hahatoky hatrany eo anatrehan’i Jehovah, sy tsy ho voafitaky ny “angano noforonina tamin-kafetsena.”​—2 Pet. 1:16; 3:11.

Ry ray aman-dreny, manampy ny zanakareo hanana tanjona ara-panahy sy ‘hiambina hatrany’ ve ianareo, rehefa mitaiza azy ireo araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah? (Efes. 6:4) Mampiofana azy ireo ve ianareo mba handinika ny hoaviny toy ny nataon’ilay lehilahy hendry indrindra teto an-tany? Azon’i Jesosy natao ny ho tonga mpandrafitra nahay, na mpamoron-javatra, na koa dokotera tena nalaza. Nifidy ny hanao fanompoana manontolo andro anefa izy. Enga anie ny ohatra navelany ka hanosika anareo hanampy ny zanakareo hanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana, eo amin’ny fiainany.

Misolo tena ny mpanompo mahatoky izahay ato amin’ny Filan-kevi-pitantanana, ka maneho fisaorana ny “vahoaka be” amin’ny fonay manontolo. Tena manampy anay tokoa ianareo amin’ny famitana ny andraikitray, dia ny ‘fitoriana manerana ny tany onenana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.’ (Apok. 7:9; Matio 24:14, 45) Manome toky anareo i Jehovah, fa hahatsiaro “izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.” (Heb. 6:10) Ho hitanareo ato amin’ireto fitantarana mahafinaritra ireto ny vokatry ny firaisan-kina nasehonareo. Tsarovy àry fa nandray anjara lehibe tamin’izany fitoriana maneran-tany izany ianareo.

Aoka ianareo hiatrika ny hoavy amin-kerim-po, sady ‘hibanjina tsara ny fanomezana ny valisoa’, ka tsy hamela olona na demonia hanakana anareo tsy hahazo azy io. (Heb. 11:26; Kol. 2:18) Eny, miantehera amin’i Jehovah. Matokia fa hanampy izay rehetra tia azy izy, mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay.​—Jaona 6:48-54.

Matokia fa mahafaly anay ny miara-manompo aminareo ho voninahitr’i Jehovah.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah