Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

EOROPA

Tany: 46

Mponina: 728 162 887

Mpitory: 1 476 554

Fampianarana Baiboly: 697 044

Mety ho ela be aorian’ny nahitany ny fahamarinana ny olona sasany vao vita batisa. Gadra politika tany amin’ny fonjan’i Kazakhstan i Steponas, tamin’ny 1951. Niara-niasa izy sy Edvardas, tanora vavolombelona be zotom-po avy any Litoania, izay nampidirina am-ponja noho izy nanao pirinty ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Niresaka ny fampanantenana omen’ny Baiboly i Edvardas. Niaiky i Steponas fa nahita ny fahamarinana. Nafahana izy tamin’ny 1955. Hoy i Edvardas rehefa nisaraka izy ireo: “Mety mbola hihaona isika indray andro any.” Mbola tsy vita batisa i Steponas, nefa efa noheverin’ny Komitin’ny Fiarovam-panjakana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Niditra an-keriny tao an-tranony ny polisy, ary nalain’izy ireo daholo ny taratasy nisy ny adiresin’ireo rahalahy. Tsy afaka nifandray tamin’ny vahoakan’i Jehovah intsony i Steponas noho izany.

Nipetraka tany amin’ny tanàna kely tany avaratr’i Litoania i Steponas. Tsy nahita Vavolombelona mihitsy izy, nandritra ny 47 taona. Afaka nahazo gazety anefa izy, tany am-piandohan’ny taona 2002. Nalefany tany amin’ny Betelan’i Litoania ny tapakila nangataka ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Hoy izy: “Nalefako ilay tapakila, satria nihevitra aho fa izany no fomba ahafahako mifandray amin’ireo rahalahy indray.” Nisy mpivady mpisava lalana manokana tonga tany aminy, ary niara-nianatra Baiboly taminy. Tsy ampy herintaona taorian’izay dia natao batisa i Steponas, teo amin’ny faha-80 taonany.

Nifankahita ihany ve izy sy Edvardas, ilay nilaza taminy, efa ho 50 taona lasa, hoe: “Mety mbola hihaona isika indray andro any”? Izany tokoa! Ny ampitson’ny nanaovana batisa an’i Steponas, dia nifamihina sady faly erỳ ireo lehilahy roa ireo, izay efa mpirahalahy ara-panahy ankehitriny.

Mpitory tsy vita batisa i Tim sy Sam, mipetraka any Grande-Bretagne, ary samy 11 taona. Niaraka nanao fanompoana tamin’ny renin’i Tim izy roa lahy. Nila kitapo vaovao izy ireo mba hitondrany Baiboly sy boky aman-gazety, kanefa tsy nisy ny vola. Nivavaka momba izany ny renin’izy ireo, talohan’ny nanaovana fanompoana tamin’io andro io. Tonga tao amin’ny trano farany hitoriana izy ireo, tamin’iny maraina iny. Anjaran’i Tim tamin’izay. Raha vao namaky andinin-teny iray anefa izy, dia nanapaka ny teniny ilay tompon-trano, ka nanontany azy ny fivavahany. Tezitra ilay ramatoa raha vao niteny i Tim hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza tamin’ny renin’i Tim izy fa tsy azony ny mahatonga ny Vavolombelona hamela ny zanany ho faty, toy izay hampidiran-dra.

Nasain’ny renin’i Tim nanontany ny hevitr’izy roa lahy momba izany ilay ramatoa. Nanontany tokoa izy. Namaly i Tim hoe aleony mifidy karazana fitsaboana tsy ampiasana ra, toy izay tsy hanaja ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Nilaza koa i Sam fa nifidy karazana fitsaboana hafa ny zokiny vavy, ary salama kokoa noho ireo nampidiran-dra.

Nitodika tany amin’ny renin’i Tim indray ilay ramatoa, ary nanakiana ny fitondrana an’ireo ankizy ireo isan-trano. Namaly indray izy roa lahy fa tian’izy ireo ny mandeha mitory. Nilaza mihitsy aza izy ireo hoe, aleony manao an’izany toy izay hikarenjy etsy sy eroa, toy ny ankizy mitovy taona aminy. Nampiaiky volana an’ilay tompon-trano ny valin-tenin’ireo ankizy ireo, ka nasainy niandry kely izy ireo, fa izy kosa lasa niditra tany an-trano. Akory ny hagagan’izy ireo nahita azy nitondra kitapo hoditra roa tsara tarehy, azo entina tsara eny amin’ny fanompoana! Mpivarotra an’ireny mantsy ilay ramatoa. Efa niova ny fihetsik’ilay ramatoa tamin’izay, ka afaka nandamina fotoana hitsidihana azy indray izy roa lahy. Nandre ny resaka nataon’izy ireo ny renin’ilay tompon-trano, izay efa 94 taona. Tonga teo am-baravarana izy, rehefa handeha ireo mpitory, ary nangataka ny renin’i Tim mba hitsidika azy any an-tranony.

Nahita filazana teo amin’ny toerana fijanonan’ny bisy ny anabavy roa tany Portogaly, rehefa nanao fanompoana. Izao no voalaza tao: “Mandalina ny taranja psikolojia aho, ary manao fikarohana momba ny finoanoam-poana. Raha afaka manampy ahy ianareo, dia manorata amin’ity adiresy e-mail ity . . .” Ny gazety Tilikambo misy ny lahatsoratra hoe “Mifehy ny Fiainanao ve ny Finoanoam-poana?”, no napetrak’ireo anabavy ireo tamin’io tolakandro io. Nanapa-kevitra ny hanoratra amin’ilay adiresy àry izy ireo, sady hiresaka momba an’ilay gazety.

Namaly toy izao ilay vehivavy nametaka an’ilay filazana, herinandro taorian’izay: “Misaotra tamin’ny fiahianareo. Miala tsiny aho raha izao vao afaka mamaly. Te hahazo an’ilay gazety noresahinareo aho. Tsy afaka niresaka tamin’ny Vavolombelona mihitsy aho tato ho ato, rehefa nanatona ahy izy ireo, satria maika hamonjy asa aho, na maika hamonjy bisy. Fantatro fa mampianatra Baiboly ianareo, ary te hianatra aho.”

Hoy ireo anabavy ireo: “Nametraka fanontaniana be dia be izy, tamin’ny fitsidihana voalohany. Nametrahanay boky Fahalalana izy, ary nandamina fotoana hianarana Baiboly izahay. Voaomany tsara foana ny fianarany, ary efa manatrika ny fivoriana rehetra izy izao.”

Nitory teny an-dalana i Lina, mpitory tany amin’ny tanàna iray any atsimon’i Alemaina, indray mandeha. Nanatona azy ny vehivavy iray antsoina hoe Tatjana, sady nanontany hoe: “Tadidinao ve aho?” Nanda i Lina. “Tsy mahagaga izany”, hoy ihany i Tatjana, “satria vao indray mandeha isika no nihaona, dimy taona lasa izay.” Nanazava izy hoe: “Nanatona ahy teny an-dalana ianao, tamin’ny 1998, ary nanolotra ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Nasiaka be aho tamin’izay, nefa noho ianao tsara fanahy sy sariaka dia noraisiko ihany ilay bokikely, ary novakiko. Nampihetsi-po ahy ny zavatra tao anatiny.” Nisy Vavolombelona roa, tsy nahafantatra an’i Lina, tonga tany amin’i Tatjana tatỳ aoriana. Nanaiky hianatra Baiboly i Tatjana, noho ny zavatra novakiny tao anatin’ilay bokikely. Efa Vavolombelona vita batisa izy tamin’ny 2003, rehefa nifanena tamin’i Lina. Samy mpisava lalana mpanampy mihitsy aza izy ireo, tamin’io volana io!

Naharay adiresin’olona avy tany amin’ny biraon’ny sampana ny anabavy iray tany Pskov, Rosia. Adiresina lehilahy mipetraka any amin’ny faritra mitokana izy io. Ela be mihitsy ilay anabavy vao tonga tany. Tonga ihany izy tamin’ny farany. Tsy fantatr’ilay rangahy akory anefa hoe nangataka fampianarana Baiboly izy. Nividy gazetiboky teo amin’ny tranoheva iray izy, ary nisy tapakila avy amin’ny taratasy mivalona tao anatiny. Nihevitra ilay rangahy fa nety hahazoana loka ilay tapakila, ka nalefany sao mba mahazo zavatra izy. Namaly ilay anabavy hoe: “Nahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana ianao!” Naneho fahalianana ilay rangahy sy ny fianakaviany, ary nanomboka nianatra Baiboly. Indroa isam-bolana izy ireo no mianatra, satria mifanalavitra be ny toerana misy azy ireo sy ny an’ilay anabavy.

OSEANIA

Tany: 30

Mponina: 34 355 946

Mpitory: 93 718

Fampianarana Baiboly: 47 270

Maka hevitra ao amin’ny gazetintsika i Alyce, 14 taona, any Aostralia, rehefa manao famelabelarana any an-tsekoly. Izao no fanontaniana novelabelariny indray mandeha: “Inona no Hiafaran’ity Tontolo Ity?” Nohazavainy ny dikan’ireo zava-mitranga amin’ny androntsika, izay efa nolazain’ny Baiboly mialoha. Nanontany ilay mpampianatra hoe inona ny fivavahan’i Alyce. Nohazavainy fa miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nomeny gazety vitsivitsy koa ilay madama mba hovakiny.

Liana ilay madama, saingy nisy mpampianatra nandresy lahatra azy mba tsy hifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanapa-kevitra ny hanadihady bebe kokoa anefa io madama io, rehefa avy nandinika ny fitondran-tenan’i Alyce, nandritra ny volana vitsivitsy. Nanahy mantsy izy sao tafiditra ao anatina sekta mampidi-doza i Alyce. Nankany amin’ny tranomboky teo an-toerana àry izy, ary nindrana ny boky Ny Vavolombelon’i Jehovah​—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Voavakiny tao anatin’ny faran’ny herinandro ilay boky iray manontolo! Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana, ka nangataka boky sy gazety fanampiny tamin’ny renin’i Alyce. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona koa izy. Voavonjiny daholo ny fivoriana rehetra, tao anatin’ny iray volana, ary nandresy lahatra ny vadiny sy ny reniny izy mba hanatrika fivoriana isaky ny alahady. Nanomboka nianatra Baiboly koa izy ireo, ary mandroso tsara. Lasa mpitory tsy vita batisa io madama io, tao anatin’ny telo volana, sady nanao ny anjarany voalohany tamin’ny Sekoly. Niaraka natao batisa i Alyce sy Linda, mpampianatra azy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana.

Eritrereto hoe ianao irery no manompo an’i Jehovah, ao amin’ny nosy anankiray! Izany no manjo ny anabavy iray any amin’ny Nosy Marshall, satria nanaiky hiasa tany amin’ny nosy Mejatto ny vadiny. Nanasa azy hivavaka tany amin’ny protestanta ny mpiara-monina taminy. Tsy nety anefa izy, fa niezaka nampianatra ny zanany tamin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nitory isan-trano koa izy, ary nentiny niaraka taminy ny zanany kely indrindra. Nisy olona liana ihany rehefa ela ny ela. Mitarika fampianarana Baiboly maromaro amin’ny bokikely Takina izao io anabavy io. Mandefa tatitra any amin’ny fiangonany taloha izy, isam-bolana. Mandeha sambo lavitra be izy sy ny zanany, rehefa hanatrika Fahatsiarovana sy fivoriambe, any amin’ny nosy Ebeye. Mandefa taratasy fampaherezana ho azy ny fiangonan’i Ebeye, sady mitantara ny zavatra hita teny amin’ny fanompoana, sy izay nianarana tany am-pivoriana. Mampahery azy ireo koa ny ohatra tsaran’io anabavy mahatoky io.

Maro ny tanàna mitokana tsy misy jiro any Papouasie-Nouvelle-Guinée. Mampiasa gropy na pila ny olona any, mba handefasana zavatra ilana herinaratra. Naniry handefa video vitsivitsy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anabavy iray vao vita batisa, mba hanampiana ny mpiray tanàna taminy hahalala kokoa ny Baiboly. Nivarotra ny vokatry ny taniny izy, ary nanatona mpivarotra iray nanana televiziona sy magnétoscope ary gropy. Nanontaniany ilay vehivavy raha afaka mampanofa azy an’ireo zavatra telo ireo. Nohazavain’ilay anabavy fa tiany hasaina hijery video miorina amin’ny Baiboly ny iray tanàna, satria nino izy fa hahasoa azy ireo izany. Nahenan’ilay mpivarotra ho faran’izay kely ny hofan’ireo fitaovana ireo, satria mba te hijery koa izy. Saika tonga daholo ny tao an-tanàna. Maro no tsy nahafantatra hoe tanterahina any amin’ny toerana maro ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy rehefa nijery an’ireo video. Nampiaiky volana azy ireo koa ny firahalahiana maneran-tany, satria tsy mba misy an’izany any amin’ny fivavahany. Maro tamin’ireo tsy nety niresaka tamin’ny Vavolombelona no naniry hianatra bebe kokoa momba ny finoantsika, ka nanasa an’ilay anabavy ho tonga any an-tranony.

Tsy namela ny Vavolombelon’i Jehovah hitory tao amin’ny tanàna iadidiany ny tompon’andraikitra sasany, tany Savaii, nosy lehibe indrindra any Samoa. Nifikitra tamin’ny fahamarinana anefa ny anabavy iray tao amin’ny tanàna toy izany, rehefa nikarakara ny fandevenana ny zanany lahy. Tao an-tranon’ilay anabavy ihany no hanaovana ny lahatenim-pandevenana. Noho izany, dia tonga nanadio ny trano sy nikarakara ny gropy ireo rahalahy sy anabavy avy amin’ny fiangonana roa tao amin’io nosy io. Nahita an’izany fanampiana feno fitiavana izany ny mponina tao an-tanàna. Samy hafa tanteraka tamin’ny fomban’ny olona any Samoa ny nandaminan’ireo rahalahy ny zavatra rehetra natao tamin’ilay fandevenana.

Nivory ny vaomieran’ny tanàna, roa andro taorian’izay, mba hiresaka momba an’ilay fisehoan-javatra. Nampiaiky volana azy rehetra ny fomba nanampian’ny Vavolombelona an’ilay fianakaviana, taloha sy taorian’ny fandevenana. Nampihetsi-po an’ireo raiamandrenin’ny tanàna koa ny fomba nanaovana ny lahatenim-pandevenana. Nanapa-kevitra àry izy rehetra fa ny Faa-Molimau a Ieova na Fomban’ny Vavolombelon’i Jehovah indray no hatao rehefa misy fandevenana. Natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana kely, kilaometatra vitsivitsy niala teo, ny Fahatsiarovana, roa andro taorian’izay. Fianakaviana maro avy ao amin’io tanàna io no nanatrika izany, ka kamiao kely telo no nitondra azy ireo. Azon’ireo rahalahy sy anabavy atao izao ny mitory ao amin’io tanàna io, izay anisan’ny tanàna lehibe indrindra ao amin’ilay nosy. Mitarika fampianarana Baiboly enina any an-toerana izao ny mpisava lalana manokana roa. Manatrika Fianarana Boky miaraka amin’ireo olona liana koa ny raiamandrenin’ny tanàna anankiray.

Nipetraka teo am-bodihazo ny tovolahy iray tany Fidji, nisaintsaina momba ny fiainany sy ny hoaviny. Nasainy hiara-mipetrapetraka aminy ny mpandalo iray. Nanararaotra nitory taminy ilay mpandalo, satria Vavolombelona. Efa nandre ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny tany zary paradisa io tovolahy io taloha, fa ilay resadresaka no namelona indray ny fahalianany. Nanapa-kevitra ny hiverina tany amin’ny nosy nisy ny reniny izy, ary nanomboka nianatra Baiboly. Nanohitra ny finoany vaovao anefa ny fianakaviany raha vao tonga tany izy, ka nopotehin’izy ireo ny zavatra vao namboleny. Noroahin’ireo tompon’andraikitra tao an-tanàna izy, sady nilazany fa tsy hanaiky fivavahana hafa ankoatra ny azy mihitsy izy ireo. Nankany amin’ny tanànan’ny rainy, tany amin’ny nosikely hafa, indray izy. Nanamboatra lakana tamin’ny fanitso izy tany, ka namakivaky ranomasina manonja sady lavitra be, mba hihaona tamin’ny Vavolombelona isan-kerinandro. Nanenjika foana anefa ny fianakaviany, ary nasaina nitoka-monina izy. Afaka nifindra tany amin’ny nosy lehibe indrindra izy, tamin’ny farany, sady akaikin’ny fiangonana misy mpikambana maro be. Mandroso ara-panahy hatrany izy, ary efa mpitory tsy vita batisa.

KONTINANTA AMERIKANINA

Tany: 56

Mponina: 857 137 983

Mpitory: 3 095 083

Fampianarana Baiboly: 2 898 369

Nanao fiverenana mitsidika ny anabavy iray tany Etazonia, indray alahady maraina, tamin’ny Septambra 2002. Mpivarotra ilay lehilahy notsidihiny, ary mbola sahirana izy tamin’ilay anabavy tonga tao. Nandehandeha tao anatin’ilay fivarotana àry ilay anabavy, teo am-piandrasana azy. Nahita vehivavy anankiray nividy mala izy. Karazana sapile volontsôkôlà ny mala, ary fampiasan’ny Hindoa rehefa mivavaka amin’ireo andriamanitra maro be. Toa afa-po erỳ ilay ramatoa atao hoe Shwe rehefa nahazo an’ilay mala. Tamin’izay indrindra ilay anabavintsika no nanatona azy, sady nanontany hoe: “Hono ho’aho, aza fady, hazo santal ve no nanaovana an’iny mala iny?”

“Ie! Efa nivavaka tamin’andriamanitra foana aho, mba hahitako mala tsara, dia nahita aho. Fofòny ange e!”

“Tena manitra tokoa izy izany! Iza izao ny andriamanitra ivavahanao amin’iny?”

“Indraindray i Ganesha, na Siva, na Durga. Hivavaka amin’izy ireo aho izao, dia hampiasa an’ity mala ity.”

“Hono ho’aho, fantatrao ve hoe iza no andriamanitra lehibe indrindra?”

“Mbola manahiran-tsaina ahy foana io. Tsy fantatro mihitsy izay lehibe indrindra amin’izy ireo.”

“Toa anao izany koa aho taloha, tamin’izaho mbola Hindoa sy nivavaka tamin’ireny andriamanitra ireny. Efa fantatro anefa izao ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Andraso ange fa hasehoko anao e. [Namaky ny Salamo 83:18 izy.] I Jehovah Andriamanitra no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra. Mbola lehibe noho Siva sy Ganesha ary Durga izy. Afaka mampianatra anao momba an’ilay Andriamanitra avo indrindra aho, ary tsy misy sarany izany.”

“Irinao tokoa ve ny hampianatra ahy momba an’ilay Andriamanitra marina? Voavaly androany daholo izany ny vavaka nataoko!”

“Fa nahoana?”

“Nivavaka foana aho isan’andro mba hahitako mala tsara, hahafahako hivavaka amin’ilay Andriamanitra marina. Nivavaka koa aho mba hahitako namana afaka manampy ahy, satria tsy mana-namana mihitsy aho. Iza no anaranao?”

“Mala no anarako, ary afaka ny ho namanao tokoa aho, sady hanoro anao ny tari-dalana ao amin’ny Baiboly.”

“Ohatra ny tsy mampino ny hoe nomen’Andriamanitra Mala velona aho!”

Nifanao fotoana hianarana ny bokikely Takina izy roa vavy. Manatrika fivoriana tsy tapaka izao i Shwe, ary efa maniry ho tonga hatramin’ny batisa.

Niezaka mafy nianatra ny teny espaniola ny anabavy misionera iray tany Honduras. Niditra birao anankiray izy, ary nametraka gazety tamin’ny vehivavy mpandray olona. Nisy telefaonina naneno anefa, ka lasa nipetraka izy, satria izay no fahazoany ny tenin’ilay mpandray olona. Efa nasain’ilay vehivavy nandeha anefa izy, saingy tsy azony ny teniny. Nisy vehivavy hafa tao amin’ny birao iray teo akaiky teo. Efa nivavaka foana izy mba hahazoany fanampiana hialany amin’ny fitondran-tena maloto, satria nangala-badin’olona izy. Te hahafantatra ny fivavahana marina koa izy. Nino izy fa nivaly ny vavaka nataony, rehefa nandre ny feon’ilay anabavy tao amin’ilay toerana fandraisana olona izy. Nanahy anefa io vehivavy io sao tsy ho afaka hiresaka amin’ilay anabavy akory, rehefa nasain’ilay mpandray olona nandeha izy. Hoy ilay misionera tatỳ aoriana: “Koa satria tsy azoko ny tenin’ilay mpandray olona, dia mbola tratran’ilay vehivavy teo aho, ary afaka niresaka tamiko izy. Samy nino izahay fa tari-dalan’Andriamanitra izany.” Efa namaky ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah io vehivavy io, taona maro talohan’izay. Tapa-kevitra ny hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy anefa izy ankehitriny. Nisaraka tamin’ilay vadin’olona izy, ary mianatra Baiboly sady manatrika fivoriana tsy tapaka.

Nisy mpisava lalana manokana notendrena hiara-miasa amin’ny fiangonana iray, tany Salvadaoro. Tsy mandray tsara anefa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny faritanin’io fiangonana io. Nivavaka tamin’i Jehovah ilay anabavy mba hahita olona liana. Nitory tamin’ny lehilahy iray izy, indray alahady. Nandray ny boky Fahalalana izy io, ary nanaiky hotsidihina. Niverimberina tany foana ilay anabavy, nefa tsy tratra mihitsy izy. Tao foana anefa ny vadin’io lehilahy io, saingy tsy liana tamin’ny Baiboly. Nasain’ilay ramatoa nandroso nandritra ny “folo minitra fotsiny” ilay anabavy, tamin’ny fitsidihana fahadimy. Nanontaniany ilay ramatoa raha hitany ny toerana nisy an’ilay boky Fahalalana. Rehefa hitany ilay izy, dia niresaka hevitra vitsivitsy avy tao amin’ilay boky ilay anabavy, sady nampiseho ny fomba fianarana azy. Nanomboka nivory ilay ramatoa, rehefa nianatra nandritra ny telo volana, ary nandroso tsara. Ary ny vadiny? Nianatra koa izy, rehefa nandeha ny fotoana. Nandeha nivory niaraka tamin’ny fianakaviany izy tatỳ aoriana. Efa mikarakara ny fisoratam-panambadiany izao io mpivady io. Mitondra vokatra tsara ny fikirizana arahim-bavaka.

Nahita fahombiazana tamin’ny fitoriana tsy ara-potoana i Margarita, mipetraka any Meksika. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny mpiara-mianatra tamiko momba ny Baiboly aho, nandritra ny fianarana zaitra. Nilaza izy fa sambatra ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah, matoa mitsikitsiky sy falifaly foana. Marina izany, hoy aho, ary afaka mahita ny tena fahasambarana ny olona rehefa matoky an’i Jehovah sy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.” Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’i Margarita io mpiara-mianatra aminy io. Mivory tsy tapaka izy izao, sady mitombo ny fahalalany.

Nametraka bokikely Takina tamina lehilahy iray i Ana, any amin’ny Repoblika Dominikanina. Sahiran-tsaina ilay lehilahy tamin’izay, satria voan’ny kansera ny vadiny, ka hodidiana. Nilaza izy fa tia mamaky teny ny vadiny, ka hoentiny any amin’ny hopitaly ilay bokikely. Nifankahita tamin’ny vadin’io lehilahy io i Ana tatỳ aoriana. Hoy izy: “Afaka mianatra isika, fa vonona aho.” Nohazavainy fa nangataka ny fitarihan’Andriamanitra izy tany amin’ny hopitaly, mba hahitany ny fivavahana marina. Tamin’izay indrindra ny vadiny no nitondra ilay bokikely Takina. Novakiny ilay izy, ary tsapany fa novalian’Andriamanitra ny vavaka nataony. Nanomboka tamin’izay izy no naniry ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nila nandeha an-tongotra adiny iray izy, isaky ny hamonjy fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanao fandrosoana haingana anefa izy, ary tsy ela dia lasa mpitory. “Afaka manefa ny voady nataoko tamin’Andriamanitra aho izao”, hoy izy. Tsy ampy enim-bolana taorian’izay dia natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy, ary mbola manompo an’i Jehovah amim-pifaliana hatramin’izao.

Tia mitory tsy ara-potoana i Martin, 13 taona, mipetraka any Paragoay. Nirava avy nianatra izy indray mandeha, ary nahatsikaritra fonosan-javatra rehefa nitory tamin’ny mpandalo. Noraisin’i Martin ilay izy, ary hitany fa nisy vola tao anatiny. Nataony am-paosy ilay vola, satria tsy nahita olona nitady azy io izy. Sady nanohy ny diany izy no nieritreritra hoe: ‘Afaka mandoa ny saram-pianarako telo volana aho amin’ity vola ity, sady afaka manampy an’i Dada sy Neny amin’ny fandaniana ao an-trano.’ Tsy tsapany akory tamin’izay hoe diso lalana izy. Tamin’izany lalana izany no nahitany lehilahy iray nitady zavatra. Reny ilay rangahy nitaraina hoe very vola 115 000 goarania (110 000 FMG eo ho eo), nefa izay no vola saika hivelomany mandritra ny volana. Tsaroan’i Martin tampoka ny tenin’ny anti-panahy taminy, rehefa niara-nidinika ireo fanontaniana ho amin’ny batisa izy ireo. Hoy ilay anti-panahy: “Ho tojo fitsapana maro ianao, indrindra amin’izao ianao hatao batisa izao.”

Tena nila an’ilay vola anefa i Martin. Zara raha nisakafo aza izy, tamin’io andro io. Tsy manam-bola handoavana ny saram-pianarany koa izy. Nanao izay tokony ho nataony anefa i Martin. Nanontany an’ilay rangahy izy hoe ohatrinona ny volany very, ary tena nitovy tamin’ilay vola hitan’i Martin ny nolazainy. Nomen’i Martin azy ilay vola. Nomeny taratasy mivalona koa izy, sady nohazavainy fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Faly be ilay rangahy, ka sady nisaotsaotra an’i Martin teo izy no namihina azy. Nomen’ilay rangahy an’i Martin ny adiresiny, mba hahafahany hitsidika azy. Vita batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra vao haingana i Martin sy ny ray aman-dreniny.

AZIA SY MOYEN-ORIENT

Tany: 47

Mponina: 3 931 574 927

Mpitory: 568 370

Fampianarana Baiboly: 417 308

Tsy afaka mitory isan-trano loatra i Kumiko, anabavy mpisava lalana mipetraka any Tokyo, Japon, noho ny toe-pahasalamany. Fitoriana an-taratasy àry no tena ataony. Manome azy ny adiresin’ireo tsy tratra an-trano, matetika ny mpiara-mivory aminy. Izy no manoratra ireo taratasy, fa ny mpitory hafa kosa no mizara azy ireo. Tsy nahazo valin-taratasy mihitsy izy nandritra ny herintaona mahery. Nanoratra foana anefa izy. Efa nahavita taratasy 1 500 teo ho eo izy vao nahazo valiny iray. Izao no voalaza tao: “Misaotra tamin’ny taratasy nosoratanao. Tena mahaliana ahy ny zavatra nolazainao. Malalaka aho izao, ary miandry ny fahatongavanao.” Faly loatra i Kumiko, ka nirotsaka hatramin’ny ranomasony. Nitsidika an’io olona io izy, ary nanomboka fampianarana Baiboly avy hatrany. Hoy izy: “Nahasorena ahy ny fanoratana taratasy tamin’ny voalohany. Matoky anefa aho izao fa mitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah, rehefa mitady ireo olona toy ny ondry amim-paharetana isika.”

Nitory isan-trano ny anabavy iray tany Inde indray maraina. Nandondòna teo amin’ny varavarana iray izy, ary vehivavy malomaloka endrika no namoha izany. Nisy ankizy kely roa nipetraka tamin’ny tany, ary vilia mbola tsy nisy sakafo no teo anoloan’izy ireo. Niresaka ny hafatra mampionona momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana entin’izy io ny anabavintsika, ary nihaino tsara ilay ramatoa. Nangataka sakafo foana ireo ankizy tamin’izay, satria noana. Tsy nety nanome anefa ny reniny. Nilaza ilay anabavy fa afaka miandry izy, raha hanome hanina ny zanany ilay ramatoa. Nanomboka nitomany ilay ramatoa, sady nanazava fa misy poizina ilay sakafo. Efa saika hanome azy io ny zanany mihitsy izy, no nisy nandondòna tao am-baravarana. Manana olana be dia be ilay fianakaviana, sady mamo lava ny vadin’ilay ramatoa, ka tapa-kevitra ny hamono tena sy hamono ny zanany vavikely roa izy. Tonga dia narian’ilay anabavy ilay sakafo raha vao nandre an’izany izy, ary lasa haingana izy nividy sakafo teo akaiky teo. Nokarakarain’izy ireo izany, ary nanomezany an’ireo ankizy avy eo. Tena nampahery an’io vehivavy io ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary efa vita batisa ankehitriny. Miaraka aminy mamonjy fivoriana ny zanany. Nanomboka namonjy fivoriana koa ny vadiny tato ho ato, sady mandroso tsara.

Nihoron-koditra ny ankamaroan’ny mponina tany Taïwan, raha vao nandre ny teny hoe pnemonia atipika. Sady nitaintaina izy ireo no nanaraka ny vaovao momba ny fiantraikan’io aretina io, tany Hong Kong. Tratra koa anefa i Taïwan avy eo! Hopitaly maro no tsy azo notsidihina noho ny fihanak’ilay aretina. Olona maro koa no natahotra sao izy no ho voa manaraka. Nanampy ny fiangonana ny sampana, mba hahazoan’izy ireo fitaovana fitsapana hafanana, talohan’ny nitakian’ny fanjakana an’izany. Afaka nijery ny mari-panan’izay rehetra nanatrika fivoriana ireo rahalahy, noho izany.

Tsy navelan’ny fanjakana hitory tany amin’ny faritra sasany ireo fivavahana. Nanao Fivoriana Momba ny Fanompoana manokana ireo rahalahy, mba handaminana ny asa sy hisorohana zava-manahirana. Nampirisihina ny mpitory mba hitsidika izay rehetra naneho fahalianana, na dia kely fotsiny aza. Nanao izany ny mpisava lalana manokana iray, ka nahazo fampianarana Baiboly be dia be. Mandroso tsara izao ny sasany amin’ireo mpianatra vaovao ireo. Hoy izy: “Nisy vokany tsara teo amin’ny fanompoako ny fisian’ilay aretina.”

Nanao fanompoana ny anabavy iray tany Chypre, ary nahita vehivavy nilaza fa sahirana. Novakin’ilay anabavy vetivety avy teo am-baravarankelin’ny lakozia ny Salamo 72:12-14, ary nilaza izy fa hiverina amin’ny fotoana mety kokoa. Gaga ilay anabavy rehefa niverina, satria efa niandry azy ilay ramatoa. Nahoana? Tena nampahery azy ilay andinin-teny, ary nosaintsaininy foana izy io nandritra ny andro. Nanolotra fampianarana Baiboly ilay anabavy, ary nanaiky avy hatrany ilay ramatoa. Tena ankasitrahan’io ramatoa io ny zavatra ianarany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny misionera i Polo, lehilahy iray any Kambodja, ary nanao fandrosoana tsara. Nanatrika ireo fivoriana dimy nalamin’ny fiangonana tany Phnom Penh, izy. Nafindran’ny mpampiasa azy tany Battambang, tanàna akaikin’ny moron-tsirak’i Tailandy, anefa izy tatỳ aoriana. Tsy nisy fiangonana tao amin’io tanàna io. Nomen’i Polo ny mpampianatra azy àry ny nomeraon’ny telefaoniny, ka afaka nianatra an-telefaonina nandritra ny 30 minitra izy ireo, isaky ny alarobia sy zoma. Naniry hanome valin-teny tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana koa i Polo. Lavitra anefa ny fiangonana, ka nosoratany tamin’ny taratasy ny valin’ny fanontaniana telo na efatra amin’ny fianarana manaraka. Nomeny ny mpiandraikitra Fianarana Boky izany, mba hovakina mandritra ny fivoriana. Nampahery ny mpitory ny zotom-pon’i Polo. Nanandrana nitory tamin’ny hafa koa izy. Nitory tamin’olona maro be izy, rehefa nandeha bisy nandroso sy niverina avy any Phnom Penh, sady nampirisika azy ireo hanatrika fivoriana. Maniry ho lasa mpitory tsy vita batisa izao i Polo.

Nahita lehilahy iray tokony ho 30 taona teo ho eo ny anabavy roa tany Mongolia. Nasain’ilay lehilahy niandry kely izy ireo. Niditra tany an-trano izy ary avy eo nitondra boky roa, dia ny Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona sy Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Nolazainy fa efa niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Polonina izy, 12 taona talohan’io. Nandefa taratasy avy hatrany izy, rehefa tonga tany Mongolia tamin’ny 1993, mba hisian’ny Vavolombelona hitsidika azy. Tsy nisy nitsidika anefa izy, satria mbola tsy nisy Vavolombelona tany Mongolia tamin’izany fotoana izany. Nandeha nianatra tany amin’ny oniversiten’i Inde izy taoriana kelin’izay, ary nijanona tany nandritra ny dimy taona. Tsy nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy, nanomboka tamin’ny 1994 ka hatramin’ny 1998. Niverina tany Mongolia izy, ary tamin’izay no nifankahitany tamin’ireo anabavy roa. Nianatra Baiboly indray izy, ary tamin’ny Aprily 2003 no nanatrika fivoriana voalohany. Faly erỳ izy izao mianatra amin’ny bokikely Takina.

Gaga ny Vavolombelona roa tany Sri Lanka, rehefa nampandrosoin’ny vehivavy iray tao an-tranony, sady nilazany fa valin’ny vavaka nataony ny fahatongavan’izy ireo! Nanazava izy fa namono tena vao haingana ny zanany vavy, rehefa avy nosaziny. Rehefa nitady fampiononana tany amin’ny pretra bodista izy, dia nilazany fa ho teraka indray io zanany vavy io, ary hamaly faty. Tena nampatahotra an’ilay ramatoa izany. Nilaza taminy ny namany anankiray fa tsy mba mino an’izany ny tena Kristianina. Nivavaka àry izy mba hahitany Kristianina marina, ary Katolika no noeritreretiny hitsidika azy. Vavolombelon’i Jehovah roa anefa no tonga nampahery azy tamin’ny fahamarinana ara-baiboly. Mianatra Baiboly izy izao, na dia manohitra aza ilay pretra bodista.

Nivavaka tany amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara nandritra ny taona maro ny vehivavy iray tany Kirghizistan. Rehefa namaky Baiboly anefa izy, dia hitany fa samy hafa ny zavatra resahina ao sy izay ampianarina any am-piangonana. Tsy azony, ohatra, ilay fampianarana hoe sady Ray i Jesosy Kristy no Zanaka. Fantany fa tsy maintsy manana ray ny zanaka. Nivavaka tamin’ny Rain’i Jesosy Kristy àry izy, ary nangataka fanampiana taminy mba hahitany ny valin’ireo fanontaniany momba ny Baiboly. Tonga nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah roa ny ampitson’io. Hoy izy ireo: “Nampianarin’i Jesosy hivavaka tamin’iza moa ny mpianany, araka ny hevitrao, ary anaran’iza no nasainy nohamasinin’izy ireo?” Talanjona izy, satria izany fanontaniana izany indrindra no nangatahany valiny tamin’ny Rain’i Jesosy Kristy, ny omalin’io. Resy lahatra izy taorian’ilay dinidinika, fa namaly ny vavaka nataony tokoa Andriamanitra. Nanaiky hianatra Baiboly ilay vehivavy, ary nanomboka nanatrika fivoriana. Nanomboka nampiasa ny anaran’i Jehovah tamin’ny vavaka izy, rehefa fantany fa Izy no Rain’i Jesosy. Mandroso ara-panahy izy izao, ary efa mitory amin’ny havany.

AFRIKA

Tany: 56

Mponina: 755 145 559

Mpitory: 950 321

Fampianarana Baiboly: 1 666 518

Misy video amin’ireo bisy mampitohy ireo tanàn-dehibe any Zambia, nefa matetika no feno herisetra sy fitondran-tena maloto ny filma amin’izy ireny. Nandeha bisy ho any an-drenivohitra ny mpivady misionera iray, ary nanontany raha azo atao ny mandefa ilay video hoe Ny Baiboly​—Ny Heriny eo Amin’ny Fiainanao. Nanaiky ny mpamily. “Hitanay fa nifantoka tsara tamin’ilay izy ny mpandeha, sady nihaino tsara”, hoy i Ruth. “Niresaka tamin’izy ireo izahay avy eo, ary nanolotra taratasy mivalona sy gazety. Nandray tsara izy ireo.” Nanontany an’ilay mpamily izy mivady raha mbola tiany ny handefa an’ilay video. Nihevitra izy mivady tamin’izay fa halefany rehefa afaka kelikely ilay izy, hay tonga dia naveriny. Hoy i Richard: “Nijery an’ilay video fanindroany indray ny mpandeha, ary faly izahay fa sahy nanontany.”

Mipetraka any Malawi ny tovovavy kely atao hoe Miranda. Nampiseho ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy, nandritra ny fakan-drivotra. Nandre ny resak’izy ireo ny mpampianatra iray, ka nampiantso azy tany amin’ny biraony, ary nanontany hoe nahoana izy no nampirisika ny namany hanambady sahady. Nilaza i Miranda fa tsy nampirisika ny namany hanambady izy. Niresaka taminy kosa izy fa afaka manampy ny fianakaviana hahita fahasambarana ilay boky. Tezitra ilay ramose ka niteny mafy an’i Miranda hoe: “Tsy ianao zazakely io no tokony hanome torohevitra momba ny fanambadiana!”

Nalahelo sady nangovitra i Miranda rehefa niala tao amin’ilay birao. Mbola nantsoin’io mpampianatra io tao amin’ny biraony indray i Miranda, roa andro taorian’izay. Hoy i Miranda: “Niala tsiny ilay ramose, noho izy nasiaka tamiko. Nolazainy fa niady foana izy mivady, ary nisaraka tamin’ny farany. Nangataka boky nitovy tamin’ilay nasehoko ny mpiara-mianatra tamiko izy, ka nomeko iray. Nilaza tamiko izy tapa-bolana taorian’izay fa nisy torohevitra tsara tao anatin’ilay boky, ary noresahiny tamin’ny vadiny izany. Nifampody indray izy mivady, tatỳ aoriana.”

Efa be taona i Eric, mipetraka any Afrika Atsimo. Efa an-taona maro izy no niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy afaka nandroso mihitsy anefa izy, satria nifoka sigara. Rehefa vita batisa ny vadiny, dia mba naniry hatao batisa koa izy. Nadikany tamin’ny taratasy maromaro ny 2 Korintianina 7:1 manao hoe: “Koa satria nahazo izany fampanantenana izany isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” Nataony soratra lehibe izany, ary napetrany tamin’izay toerana talaky maso rehetra tao an-trano. Isaky ny te hifoka sigara izy, dia namaky an’ilay andinin-teny, ary nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoany fanampiana hialana amin’ny sigara. Noho izany, dia tsy nifoka sigara mihitsy izy nandritra ny folo volana mahery. Efa mpitory i Eric ankehitriny, ary mikasa hatao batisa amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manaraka.

Nahita vehivavy nipetraka irery ny anabavy misionera iray tany Seychelles, teo am-piandrasana baka. Efa reraky ny fitoriana manontolo andro ilay anabavy, nefa mbola nanatona an’io vehivavy io ihany, ary nanolotra taratasy mivalona. Nandray an’izany ilay vehivavy, sady nilaza fa Hindoa izy. Nifankahita teny an-dalana izy ireo, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nifanao fotoana hianarana Baiboly. Dokotera ny vadin’ilay vehivavy, sady Katolika. Nanaiky hianatra koa anefa izy, rehefa avy namaky ny boky Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona sy ny Fahalalana. Nasain’izy mivady hiara-mihinana masikita tamin’izy ireo ilay anabavy sy ny vadiny, indray hariva. Nodoran’izy ireo ny sary masina tao aminy, ary teo ambonin’ilay afo no natsatsika ny sakafo! Tsy ela dia nanomboka namonjy fivoriana izy ireo, ary nandray anjara tamin’ny fanompoana. Lasa mpisava lalana mpanampy izy mivady, taorian’ny batisany. Kely ilay nosy, ka fantatry ny olona tsara ilay rahalahy. “Lasa pasitera ny dokotera”, hoy ny vazivazin’ny sasany. Mpanampy amin’ny fanompoana izy izao, ary mpisava lalana maharitra ny vadiny.

Nianatra baiko moana i Ishmael, mba hahafahany hitory amin’ireo olona marenina any Zimbabwe. Nandeha bisy izy indray mandeha, ary nahita vehivavy marenina nangataka vola tamin’ny mpandeha. Nitory taminy i Ishmael, ary nifanao fotoana taminy. Nanontaniany an’ilay vehivavy ny antony nampaharenina azy, araka ny nampianarina tany amin’ny fivavahany. Hoy ilay vehivavy: “Nilaza izy ireo fa izao, hono, no sitrapon’Andriamanitra.” Nanazava i Ishmael fa tsy sitrapon’Andriamanitra izany, fa vokatry ny fahotana nolovana sy ny tsy fahalavorariana. Nohazavainy koa fa tsy ho ela dia hanaisotra ny kilema rehetra Andriamanitra. Hoy ilay vehivavy: “Tiako ho fantatra hoe nahoana ny fivavahako no mampianatra lainga.” Hoy izy tamin’i Ishmael, rehefa nihaona fanintelony izy ireo: “Hiaraka aminareo aho manomboka izao. Tsy te handre lainga intsony aho.” Mianatra Baiboly izy izao, ary mivory tsy tapaka, sady maniry ho lasa mpitory tsy ho ela.

Zara raha manana fotoana handinihana zavatra ara-panahy ny olona any Ghana, noho ny adim-piainana. Nisy mpisava lalana maharitra nanatona lehilahy iray, rehefa nitory isan-trano, ary nangataka dimy minitra mba hiresahana zavatra avy ao amin’ny Baiboly. Namaly izy hoe: “Be atao foana aho mandritra ny andro. Tsy tonga ato an-trano aho, raha tsy aorian’ny amin’ny valo alina mba hanatitra torimaso.”

Nanontany ilay anabavy hoe: “Afaka maka fotoana kely amin’ny ora fatorianao ve ianao, mba hianarana Baiboly?”

Hoy izy: “Raha tonga aorian’ny amin’ny valo alina ianao dia mety.” Tonga tao an-tranon’io lehilahy io tamin’ny valo ora tsy diso ilay anabavy sy ny vadiny, ny ampitson’io. Vao tonga avy niasa izy tamin’izay. Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary tsy ela dia nanomboka nivory izy. Lasa mpitory izy, ary natao batisa tatỳ aoriana. Tena nampiaiky ny vadiny ny fiovana nataony, ka nanaiky hianatra Baiboly koa izy, ary tsy ela dia lasa mpitory tsy vita batisa. Tena gaga ny mpiara-monina taminy sy izay rehetra nahafantatra an’io lehilahy io, rehefa nahita azy nitory isan-trano. Maro no te hahafantatra izay nahatonga olona mpimamo lava sy mpangalatra ary mpidoroka zava-mahadomelina hiova be toy izao. Olona 22 no naniry hianatra Baiboly tao amin’ilay tanàna, vokatr’izany. Efa mivory tsy tapaka ny 12 amin’izy ireo, ary mety tsy ho ela dia ho lasa mpitory.

[Sary, pejy 43]

◼ Steponas sy Edvardas, Litoania

[Sary, pejy 47]

◼ Alyce sy Linda mpampianatra azy, Aostralia

[Sary, pejy 51]

◼ Mala, Etazonia

[Sary, pejy 56]

◼ Kumiko, Japon

[Sary, pejy 61]

◼ Ruth sy Richard, Zambia