Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
NILAZA mialoha i Jehovah fa hiangona eo amin’ilay tendrombohiny masina ny firenena maro “any am-parany”, mba hampianariny. (Mika 4:1, 2) Mbola tanteraka tamin’iny taom-panompoana lasa iny io faminaniana io. Nihamaro mantsy ny olona niaina nifanaraka tamin’ilay andinin-teny ho an’ny taona 2003 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jak. 4:8) Anisan’ny tena nanampy olona maro hanana fifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah, ireo Fivoriamben’ny Vondrom-paritra sy Iraisam-pirenena “Omeo Voninahitra Andriamanitra.”
Fivoriambe “Omeo Voninahitra Andriamanitra”
Nilaza toy izao ny iray tamin’ny mpandahateny tamin’ireo fivoriambe ireo: “Raha zavaboary tsy mananaina aza afaka Apokalypsy 4:11, manao hoe: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”
midera an’i Jehovah, tsy tokony hanome voninahitra Azy bebe kokoa ve isika olombelona, izay zavaboary afaka misaina sy miteny?” Novakiny avy eo nyFotoana manokana nahafahana nidera an’i Jehovah ireo fivoriambe iraisam-pirenena “Omeo Voninahitra Andriamanitra.” Niisa 32 izy ireo, ary natao tany Afrika Atsimo, Aostralia, Danemark, Espaina, Etazonia, Ghana, Hawaii, Hongria, Japon, Kanada, Meksika, Silia, Soisa, ary Ukraine. Afaka nanatrika fivoriambe tany amin’ny taniny ny misionera sy ireo manompo any ivelan’ny taniny, ka nitantara momba ny asa nanendrena azy. Solontena vahiny an’arivo koa no nanatrika an’ireny fivoriambe ireny.
Anisan’ny tena mahafaly an’ireo solontena vahiny ny mitsidika ny sampana ao amin’ilay firenena mampiantrano. Nampiantrano vahiny 6 750 avy amin’ny firenena 36 ny sampana eto Etazonia, ary nandroso sakafo efa ho 15 000! Nihira ho an’ny fianakavian’ny Betela ny rahalahy sy anabavy 60 teo ho eo avy any Afrika Atsimo indray mandeha, taorian’ny sakafo antoandro. Nataon’izy ireo tamin’ny feo efatra samy hafa ilay hira, ary tamin’ny fiteny enina: afrikaans, anglisy, sepedi, sesotho, xhosa, ary zoloa. Tena nampihetsi-po ilay hira sady nahafinaritra, ka maro tamin’ny mpihaino no latsa-dranomaso.
Niaraka tamin’ny antoko-mpitsidika hafa ny solontena iray avy any an-tany lavitra. Hoy izy: “Amiko dia tombontsoa indray mandeha tsy miverina ny fiarahana amin’ny rahalahy sy anabavy toy izao. Tsy ho hadinoko mihitsy izy ity, satria efa fisantarana sahady ny tontolo vaovao.” Nihetsi-po ny rahalahy iray avy any Grande-Bretagne, rehefa nahita sary
hoso-doko mampiseho an’ilay zanaka adala. Niala tamin’ny fahamarinana mantsy izy tamin’izy 17 taona, ary vao haingana no tafaverina. Nisaintsaina ny famindram-pon’i Jehovah izy taoriana kelin’izay, rehefa nisakafo antoandro niaraka tamin’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn, ka nanganohano ny masony. Nilaza ny rahalahy iray avy any Espaina, fa mbola tsy nahita azy nitomany mihitsy ny vadiny hatramin’ny 29 taona nivadian’izy ireo. Nitomany anefa izy teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Houston, Texas, rehefa nahita Vavolombelona falifaly maro be nitsena ny antoko-mpitsidika nisy azy.Mety ho sarotra ny mahita toerana malalaka nefa tsy lafo, mba hanaovana fivoriambe. Manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hahita izany anefa ny laza tsarany hatramin’ny taona maro. Mampiseho izany ny tatitra nalefan’ny sampana iray: “Toerana iray monja no hitanay. Antonona tsara an’ireo solontena 50 000 andrasana amin’ilay fivoriambe izy io. Lafo loatra anefa ny hofan’ilay kianja, rehefa nanontaniana ny tompon’andraikitra. Nangataka ny hiara-midinika tamin’ny sampana ireo tompon’andraikitra ireo, andro vitsivitsy taorian’izay. Hoy ny iray tamin’izy ireo: ‘Tsy dia fantatray loatra ny zavatra nangatahinareo tamin’ny voalohany. Faly anefa izahay rehefa fantatray ny antony ivorianareo sy ny fahaizanareo mandamina sampan’asa samihafa. Tena gaga izahay, satria mahay mandamin-javatra ianareo, sady voaomana amin’ny an-tsipiriany izay hataonareo. Hitanay fa tena matihanina ianareo.’” Noho izany, dia afaka nampiasa an’ilay kianja tamin’ny hofany mirary ny Vavolombelon’i Jehovah.
Boky vaovao tamin’ny fivoriambe
Mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? Azo antoka àry fa tena faly ianao, rehefa nahazo an’ilay bokikely miloko, 36 pejy hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Hanampy anao ireo sary, sarintany, sary vita tamin’ny ordinatera, ary ny maro
hafa, rehefa mianatra samirery ianao. Ampiaraho amin’ny Baiboly sy ny bokinao foana àry ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Aza hadinoina koa ny mitondra azy io any am-pivoriana, rehefa miresaka tany ao amin’ny Baiboly ny lahateny na fiaraha-midinika hatao any.Namoaka boky 256 pejy ny mpandahateny, tamin’ilay lahateny hoe “Lova Sarobidy ny Zanatsika.” Feno sary tsara tarehy izy io, ary mitondra ny lohateny hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hampiasa an’io boky vaovao tsara tarehy io ireo ray aman-dreny tia zanaka, rehefa mampianatra azy ireo. Milaza ilay boky fa “mila tari-dalana ara-pitondran-tena sy toro lalana [ny ankizy], dieny mbola kely. Misy zavatra mampalahelo be mantsy mety hitranga ary tena mitranga, rehefa tara loatra ny ankizy vao mahazo fanampiana.”
Misy sary 230 mahery ao amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, izany hoe efa ho avo roa henin’ny sary ao amin’ny boky Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Misy teny kely eo akaikin’ny sary rehetra, ary fanontaniana ny ankamaroan’izy ireny. Eo amin’ny pejy misy an’ilay fanontaniana ihany no ahitana ny valiny. Manamora ny fifampiresahana ny fanontaniana ao amin’ilay boky, ka afaka mamoaka ny ao am-pony ny ankizy. Misy fanontaniana toy izao, ohatra, eo amin’ny pejy 101: “Nahoana no tena ilaina ny tsy manadino ny misaotra?” Ry ray aman-dreny, aza hadinoina ny mamaky ilay sasin-teny hoe “Inona no Ilain’ny Ankizy Amin’ny Ray Aman-dreniny?” Handray soa faran’izay betsaka avy amin’io boky io ny fianakavianareo, raha ampiharinareo ny torohevitra omena ao amin’io sasin-teny io.
Video natokana ho an’ny marenina
Nanao hira tamin’ny baiko moana ho an’ny marenina vitsivitsy i John Gillepsie, anti-panahy mpitety fiangonana, tamin’ny fivoriambe iray natao tany Etazonia, tamin’ny 1915. Misy 1 200 mahery izao ny fiangonana sy antoko-mpitory
marenina maneran-tany. Ahoana no anomezana sakafo ara-panahy azy ireo?Misy amin’ny baiko moana karazany 18 izao ireo boky fianarana Baiboly, ary mitombo hatrany io isa io. Nahazo tombontsoa ireo mampiasa Baiko Moana Amerikanina, satria mivoaka isam-bolana amin’ny video misy baiko moana ny lahatsoratra fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny Septambra 2002. Tena manampy ny marenina handray soa toy ny olona rehetra io video io.
Ohatra: Mahatadidy andinin-teny maro ny ankamaroan’ny Vavolombelona tsy marenina, satria mitovy foana ny fandrenesany na famakiany andinin-teny anankiray. Tsy mba toy izany anefa ny an’ny marenina. Nahoana? Rehefa atao amin’ny baiko moana mantsy ny andinin-teny, dia samy manana ny fanaovany azy ireo rahalahy, satria mbola tsy misy ny Baiboly amin’ny baiko moana. Nanomboka niova anefa izany, rehefa nisy boky navoaka tamin’ny video misy baiko moana. Koa satria mivoaka amin’ny video koa izao ny lahatsoratra fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia mitovy amin’izay ny baiko moana hilazana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly.
Tsy mila manendry olona handika ireo fehintsoratra amin’ny fihetsiky ny tanana intsony ny fiangonana sy antoko-mpitory mampiasa baiko moana, rehefa mianatra Tilikambo. Manomana mandritra ny adiny iray eo ho eo izay rahalahy voatendry hamaky Tilikambo any amin’ny fiangonana mandre tsara. Mandany ora maro kosa anefa ny fanomanana izany any amin’ny fiangonana mampiasa baiko moana. Azo ampiasaina hanaovana zavatra ara-panahy hafa izany fotoana sarobidy izany ankehitriny. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo rahalahy sy anabavy rehefa nahazo an’io fitaovana vaovao io?
Nanoratra toy izao ny antoko-mpitory any Rhode Island, Etazonia: “Tsy omby tratra ny hafalianay rehefa nilazana, fa Rom. 10:10.
hahazo Tilikambo amin’ny video izahay. Latsa-dranomaso mihitsy aza ny mpitory sasany.” Nilaza ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana any Floride, fa betsaka izao ny manangan-tanana mba hanome valin-teny, ka “faly erỳ izy mahita tanana maro azo isafidianana!” Nilaza koa izy fa “mihatsara ny valin-tenin’izy ireo.” Nanoratra ny anti-panahy hafa hoe: “Tena tsara ny vokatra! Mahavariana fa takatr’ireo rahalahy, na dia ny fampianarana sarotra be aza.” Be dia be tokoa ny fitahiana arotsak’i Jehovah. Noho izany, dia mitombo isa hatrany ireo marenina afaka mahafantatra sy midera Azy.—Fanampiana ho an’ny mpandika teny
Misy amin’ny fiteny 390, fara fahakeliny, ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mahatoky, ankehitriny. (Lioka 12:42) Mandray anjara lehibe amin’ny asan’ny fandaminan’i Jehovah àry ny fandikan-teny, izay mihamitombo hatrany.
Tsy mety ny mandika ara-bakiteny fotsiny ny teny tsirairay. Tokony hampitaina araka ny marina kosa ny hevitra fonosin’ilay lahatsoratra. Tsy maintsy mahatakatra tsara an’ilay lahatsoratra hadikany àry ny mpandika teny, alohan’ny handikany azy io. Mety ho sarotra anefa izany indraindray.
Nanasa rahalahy maromaro àry ny Filan-kevi-pitantanana, mba hiofana tamin’ilay fandaharana nantsoina hoe Sekoly Fanatsarana ny Fahaizana Teny Anglisy. Rehefa vita ilay fianarana natao tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, tany Patterson, New York, dia nitsidika ekipa mpandika teny maneran-tany izy ireo, nandritra ny taom-panompoana 2002 sy 2003. Naharitra telo volana teo ho eo ny fampianarana ny ekipa tsirairay. Sady nanampy tamin’ny asa izy ireo, no nanome torohevitra azo ampiharina. Nanampy ny mpandika teny hahatakatra tsara kokoa ny hevitry ny lahatsoratra amin’ny teny anglisy iny fandaharana iny.
Hoy ny ekipa mpandika teny iray: “Nanampy anay hanatanteraka tsara kokoa ny asa anendreny anay i Jehovah. Matoky tena kokoa izahay izao, sady manantena hahita vokatra tsara, noho ny fitahiany.” Hoy ny mpiandraikitra ny sampan-draharahan’ny fandikan-teny iray: “Maro taminay no nandany ora maro, mba hahatakarana fomba fiteny sy fehezanteny sarotra tamin’ny teny anglisy. Nampiadana ny asanay izany. Tena faly àry izahay nanao an’ilay Sekoly Fanatsarana ny Fahaizana Teny Anglisy. Nampianarina anay ny fomba hamakafakana
lahatsoratra amin’ny teny anglisy, sy ny dingana tokony harahina rehefa sendra lahatsoratra sarotra. Tsy miady saina be intsony izahay izao, sady afaka mandika lahatsoratra marina kokoa sy haingana kokoa.”Hoy ny ekipa iray hafa: “Tsy mitovy amin’ny fianarana hafa izy iny, fa azo ampiharina tsara, satria natao mifanaraka tsara amin’ny zavatra ilainay. Mino izahay fa hanampy ny mpandika teny eran-tany iny fampiofanana iny, ka ho mora kokoa amin’ireo olona toy ny ondry ny ‘hahazo ny hevitry’ ny fahamarinana.—Matio 13:23.
Mpandika teny 1 660, miasa amin’ny fiteny 150 mahery, no efa nandray soa tamin’io fianarana io. Natao hanampiana ireo mandika amin’ny baiko moana koa io fandaharana io. Tsy diso anjara koa ireo mandika avy amin’ny teny espaniola, ho amin’ny fitenin’ireo mipetraka any Amerika Afovoany sy Atsimo.
Nampiofanina ho mpampianatra tsara kokoa
Tena mihevitra ny fifampiresahana ho zava-dehibe i Jehovah sy ny Zanany lahitokana, dia “ny Teny.” (Jaona 1:1, 14; 3:16; Apok. 19:13) Ataon’ny mpanompo mahatoky koa izay hanampiana ny vahoakan’Andriamanitra hanatsara ny fahaizany mitory sy mampianatra. Izany indrindra no antony nanomanan’ny fandaminana ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mpitory maro no velom-pankasitrahana, hatramin’ny nampiasana azy io tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, tamin’ny Janoary 2003.
“Tsy misy fivavahana hafa manampy ny mpivavaka ao aminy, na antitra na tanora, hahay hifampiresaka tsara toy izao”, hoy ny anti-panahy iray any Philippines. Hoy koa ny anti-panahy iray any Brezila: “Heveriko fa daty miavaka eo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Janoary 2003, raha ny fampianarana no resahina.” Hoy ny iray hafa: “Manjary tian’ny tanora eo anivon’ny fiangonana kokoa izao
ny mandray anjara amin’ny sekoly. Ny sasany efa nahavaky an’iny boky iny hatramin’ny farany, sady nahavita ny fanazaran-tena rehetra, talohan’ny nampiasana azy iny tamin’ny sekoly!” Mampiasa ny boky Sekolin’ny Fanompoana foana ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, rehefa mitsidika fiangonana. Hoy izy: “Tena manampy amin’ny fanomanana fivoriana sy fanompoana ny loha hevitra toy ny hoe ‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny’, ‘Mitondra Valisoa ny Fianarana’, ary ‘Fantaro Izay Tokony Havalinao.’”Nilaza ny anabavy iray tany Grande-Bretagne fa “anisan’ny mahatsara an’ilay fampianarana ny fisian’ny fanazaran-tena. Mila ampiharintsika eo amin’ny fiainana ny zavatra nianarana tamin’ny sekoly, raha te hampitombo ny fahaizantsika isika. Manampy antsika amin’izany ireo fanazaran-tena.” Miakanakam-piteny ny rahalahy iray avy any Japon. Hoy izy: “Matahotra foana aho isaky ny mahazo anjara famakian-teny. Manahy mantsy aho sao tsy hety ny vakiteniko, rehefa eny ambony lampihazo. Vao mainka nanaratsy ny tarehin-javatra anefa izany. Raha vao voaraiko àry ny anjarako farany, dia noraisiko an-tsoratra ireo hevitra tao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, eo ambanin’ny lohatenikely hoe ‘Ny fomba hitenenana mazava’ (pejy 87 sy 88), ary ny efajoro hoe ‘Raha Miakanakam-piteny Ianao’ (pejy 95). Tapa-kevitra ny hiezaka foana aho, na dia tsy ho afaka avy hatrany aza ny kilemako!”
Nilaza ny sampan’i Kenya fa “tena faly ireo rahalahy [tany Burundi] rehefa vita tamin’ny fiteny kirundi io boky vaovao io. Mahazo tsara kokoa ny zavatra tandremana amin’ny sekoly izao ireo mpianatra tsy nahita fianarana firy. Mafana fo kokoa izy ireo, rehefa manao ny anjarany.”
Nanampy ny hafa hanatsara ny fahaizany manoratra koa io boky io. Hoy ny anabavy be taona iray tany Meksika: “Misy torohevitra tsara momba ny fanoratana taratasy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 71-73. Mitory an-taratasy aho noho ny toe-batako. Tsy mba nanoratra tany amin’ny fianakaviako mihitsy anefa aho. Azoko atao tsara izao ny mitory amin’izy ireo, noho ny tari-dalana omen’io boky vaovao io.” Hoy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra iray atsy Afrika Atsimo: “Tena miavaka mihitsy io boky io. Tsy mampianatra ny fahaiza-miteny fotsiny izy io, fa miresaka ny ifandraisan’izany amin’ny lafiny ara-panahy koa. Asehony fa vokatry ny fitiavana kristianina sy ny fiahiana ny hafa ireny fahaizana ireny.”
Raharaha ara-pitsarana
Mpitsara valo tamin’ireo sivy no nandany ilay didim-pitsarana nanan-tantara navoakan’ny Fitsarana Tampony tany Etazonia, tamin’ny 17 Jona 2002, momba ilay raharahan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. miady amin’ny Tanànan’i Stratton. Nilaza ilay Fitsarana fa tsy araka ny lalàm-panorenana ny fitakiana fahazoan-dalana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, isaky ny hitory isan-trano izy ireo.
Nampilaza ny biraon’ny tanàna rehetra ny sampan’i Etazonia, taorian’ilay fandresena. Voavaha, araka izany, ny olana mahakasika ny asa fitoriantsika tany amin’ny tanàna 238, izay efa nikasa hitaky fahazoan-dalana amintsika, alohan’ny hitoriana isan-trano. Tsy voatery hisoratra anarana any amin’ny manam-pahefana intsony koa izao ny mpitory any amin’ny tanàna 216, isaky ny hanao fanompoana. Enga anie i Jehovah ka hanaisotra hatrany ny vato misakana toy izany.—Isaia 40:4; Matio 24:14.
Mbola ampidirina am-ponja foana ireo rahalahy any Armenia, satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nampakatra fitsarana ambony ny mpampanoa lalàna tany Erevan, renivohitra, satria tiany homena sazy lavalava kokoa ireo rahalahy. Nomen’ny mpitsara sazy mafimafy kokoa izy ireo, noho izany.
Nodinihin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny Febroary 2003, ny fitarainan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa, misionera taloha. Noroahina tany Boligaria mantsy izy ireo tamin’ny 1995. Tsapany fa voahitsakitsaka ny zony hanaraka izay fivavahana tiany, ary niharan’ny fanavakavahana izy ireo. Hitan’ny fitsarana fa “marim-pototra” ny fitarainan’izy ireo.
Nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny fiangonana iray tany Asmara, Érythrée. Tonga anefa ny polisy rehefa nirava izy ireo, ka nosamborina avokoa ireo mpanatrika 164, na lahy, na vavy, na ankizy. Nampidirina am-ponja izy ireo, ary nalaina am-bavany nandritra ny alina. Nafahan’ny manam-pahefana ny ankizy sy ny ankamaroan’ireo anabavy ary ny olona liana, ny ampitson’io. Nafindra tany amin’ny fonja lehibe indrindra tany Asmara ny hafa. Notazonina tany nandritra ny iray volana latsaka ny sasany tamin’izy ireo. Efa nisy rahalahy folo hafa koa nampidirina am-ponja, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Voasazy higadra sivy taona ny telo tamin’izy ireo.
Mbola iharan’ny herisetra foana ireo rahalahy any Géorgie. Maro ny fivoriamben’ny vondrom-paritra noravan’ny manam-pahefana sy ny polisy nirongo fiadiana. Niakatra teny ambony lampihazo izy ireo, ary nasainy nody ny mpanatrika. Efa nanao barazy koa izy ireo, ka tsy namela an’ireo rahalahy hamonjy fivoriambe. Tsy nosamborina ny lehiben’ny mpanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah, fa miandry ny fotoana hitsarana azy fotsiny. Nahemotra in-19, fara fahakeliny, ny fitsarana azy. Nanakorontana tao amin’ny efitrano fitsarana ny mpanohana azy, indray mandeha, ka sady nikapoka no nanevateva an’ireo rahalahy. Nofoanan’ny Sampan-draharaha Momba ny Hetra koa ny nomerao fandoavan-ketran’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay ilainy rehefa manafatra boky sy gazety, na manao zavatra hafa.
Tsara ny vaovao avy any Kosovo sy Romania. Nekena ho ara-dalàna ny asan’ireo mpitorin’ilay Fanjakana 90 tany Kosovo, tamin’ny 20 Mey 2003. Nekena ho fivavahana ara-dalàna koa ny Vavolombelon’i Jehovah any Romania tamin’ny 22 Mey 2003, araka ny didy navoakan’ny minisitera iray. Izao no voalazan’ny andininy faha-3 tamin’ilay didy: “Manana ny zo sy izay rehetra takin’ny lalàna ho an’ny fivavahana ara-dalàna eto Romania ny ‘Fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.’” Nivoaka io didy io, noho ny lalàna navoakan’ny Fitsarana Tampony tany Romania, tamin’ny taona 2000.
Nanapa-kevitra ny mpitsara tany Rosia tamin’ny 22 Mey 2003, fa hahemotra ny fitsarana saika handrarana ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou. Tsy nametra daty anefa ilay mpitsara, fa nanendry “manam-pahaizana” kosa, mba handinika ny fiantraikan’ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny toe-tsain’ny olona, nandritra ireo folo taona lasa. Tsy voatery ho marina ara-tsiansa anefa ny fandinihana toy izany. Efa nanomboka nandinika ny fitarainana nalefan’ireo rahalahy koa ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’io fotoana io. Nametraka fitarainana mantsy ireo rahalahy noho ny fampijaliana sy ny tsy rariny nampiharina tamin’ny Vavolombelona tany Moscou, nandritra ireo fito taona lasa.
Tapaka tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra tany amin’ny tapany avaratr’i Chypre, fa havela hiditra any an-toerana indray ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny Fanapahan-kevitra Laharana E-1516-2002, tamin’ny 8 Aogositra 2002. Voarara mantsy ny asa tamin’ny 1997, ary noroahina ny mpisava lalana. Efa naverina tamin’ireo rahalahy ny efitrano roa nalain’ny fanjakana.
Nahazo sazy mihantona i Marat Mudarisov tany Ouzbékistan, satria hoe “mahatonga fifankahalana ara-pivavahana,
sady mitarika zaza tsy ampy taona” hanaraka ny finoany. Ny tena “heloka” nataony anefa, dia ny nitory ny vaovao tsara tamin’ny mpiray tanàna taminy, sy nitarika fiaraha-midinika ara-baiboly isan-kerinandro, tany am-pivoriana. Efa nampakarina any amin’ny Fitsarana Tampon’i Ouzbékistan ilay raharaha, ary nofoanana ny sazy nomena ny Rahalahy Mudarisov.Fiatrehana fisedrana
Efa akaiky ny faran’ity tontolo ity, hany ka mitombo hatrany ny heloka bevava sy ny korontana ara-politika. Miteraka olana goavana izany matetika. Rotidrotiky ny ady an-trano i Liberia sy Monrovia renivohiny, tamin’ny taon-dasa. “Nafotaka ny ady teny amin’ny arabe nandritra ny herinandro, ka nisafotofoto ny tanàna iray manontolo”, hoy ny fampahalalam-baovao. “Nilamindamina ny tanàna rehefa nitsahatra kely ny fifandonana. Niverina indray anefa izany tamin’ny 24 Jona. Vao mainka nahery vaika ny ady tamin’io, ka betsaka kokoa ny zavatra simba sy ny aina nafoy.” Nilaza ny biraon’ny sampana fa voatery nitsotra teo amin’ny tany mando ireo rahalahy, tao amin’ny Efitrano Fanjakana, noho ny tifitra vary raraka sy ny zera baomba. “Tena rava ilay tanàna”, hoy ireo rahalahy. “Renay mihitsy ny fofon’ireo faty.” Betsaka koa ny olona matin’ny kôlerà.
Mandroba trano sy Efitrano Fanjakana ireo miaramila mirongo fiadiana. Naleon’ireo rahalahy àry nianina tamin’izay zavatra tena nilainy, satria fantany fa tsy maintsy hisy hangalatra ny zava-tsarobidy rehetra, araka ny fanazavan’ny mpivady misionera avy any Monrovia. Naleon’ny fianakaviana natory tamin’ny tsihy rehefa nisy nangalatra ny fandriany, toy izay hividy vaovao. Nialokaloka tany amin’ny firenena manodidina ireo tsy afaka nody tany aminy.
“Izay hohanin’ny olona anio ihany no tadiaviny anio”, hoy ny biraon’ny sampana. “Mampahery anefa, fa mazoto mivory sy manao fanompoana ireo rahalahy, rehefa mamela
ny toe-javatra.” Nilaza ireo misionera voalaza tetsy ambony, fa “boky ara-baiboly, sy kitapo hoentina mitory hanoloany ny very, no anisan’ny zavatra tadiavin’ireo rahalahy voalohany”, rehefa tonga ny fanampiana.Nampitomboina ny toerana fanaovana pirinty
Nifidy rahalahy fito avy any amin’ny toerana samy hafa ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 1 Septambra 2001, mba hanadihady ireo sampana manao pirinty maneran-tany. Nasaina nanome soso-kevitra koa izy ireo, mba hahafahana hampitombo ny zavatra atao pirinty any amin’ireny toerana ireny. Vokatr’izany, dia neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hampitomboana ny toerana fanaovana pirinty, tamin’ny 17 Oktobra 2001. Samy hiandraikitra ny faritra misy azy ny sampana mpanao pirinty tsirairay. Ireto avy izany faritra izany: Afrika, Amerika Avaratra sy Atsimo, Azia, ary Eoropa.
Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2002 ilay fandaharana vaovao. Tena nampahery ny vokatra azo. Saika ny antsasaky ny boky ilaina eran-tany, ohatra, no natao pirinty tany Etazonia, tamin’ny taona 2000. Ny ampahefany mahery kely fotsiny anefa no atao pirinty any ankehitriny. Nihena be, araka izany, ny vola lany amin’ny fandefasana entana, ny isan’ny mpiasa, milina, ary ny velaran’ny toerana nampiasaina tany amin’ny trano fanontam-pirintin’i Etazonia. Nitombo kosa ny vokatra azo tany amin’ny toerana fanontam-pirinty hafa.
Rehefa nampitomboina ny toerana fanontam-pirinty, dia neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hividianana milina vaovao antsoina hoe MAN Roland Lithoman. Fito izy ireo, ary hasolo ireo milina tranainy sy tsy nahavita pirinty firy teo aloha, mba hiatrehana ny fitomboana amin’ny hoavy. Ho an’ny Betelan’i Afrika Atsimo, Brezila, Grande-Bretagne, Japon, ary Meksika, ny dimy amin’izy ireo. Hapetraka any amin’ny fanontam-pirintin’i Wallkill, New York kosa ny milina roa, amin’ny Aprily sy Mey 2004. Mahatratra 40 metatra ny halavan’ny
milina tsirairay, ary mahavita gazety 90 000 isan’ora (25 isan-tsegondra), sady afaka mamoaka sary miloko amin’ny pejy rehetra.Fiovana hafa tany Brooklyn sy Wallkill
Hahazo fitaovana fanakambanam-boky vaovao koa i Wallkill. Afaka manamboatra boky misy fonony mafy sy Baiboly misy ranom-bolamena 120 isa-minitra io fitaovana vaovao io. Hafindra any Wallkill koa ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana tany Brooklyn. Antsasaky ny velaran-toerana nilaina tany Brooklyn dia efa ampy ho an’ny boky sy gazety, satria talantalana vy avo be no hatao fanatobiana entana.
Hanaovana zavatra hafa indray izao ireo toerana banga, any Brooklyn. Nilaza koa ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny Jona 2003, fa mety hamidy ilay trano 95 000 metatra toradroa teo amin’ny 360 Furman Street, izay nisy ny Fandefasana Entana sy ny Sampan-draharaha hafa. Efa nafindra any Brooklyn ny sampan-draharaha hafa tao amin’io trano io, ary vao hafindra ny sasany.
Fanorenana Efitrano Fanjakana
Efitrano Fanjakana 2 340 no vita naneran-tany, nandritra ny taom-panompoana 2003, izany hoe efitrano 195 eo ho eo isam-bolana, na maherin’ny 6 isan’andro! Efitrano 7 730 no vita hatramin’ny Novambra 1999, fotoana nanombohan’ilay fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny
tany mahantra. Mitombo be ny isan’ny mpanatrika any amin’ny toerana maro raha vao vita ny Efitrano Fanjakana, ka tsy ela izany dia feno tanteraka.Nisy toeram-pivoriana 550 tao amin’ny firenena 38 tany Afrika, raha vao natomboka ilay fandaharam-panorenana. Efa-taona latsaka tatỳ aoriana fotsiny, dia efa lasa 5 060 mahery ny Efitrano Fanjakana tany amin’ireo firenena 38 ireo, izany hoe efitrano 1 isaky ny fiangonana 3 na 4, amin’ny antsalany. Niresaka momba ny rakibolana vaovao navoakan’ny Fikambanan’ny Mpanoratra Kristianina ny sampan’i Malawi, rehefa nitatitra ny vokatry ny fandaharana fanamboarana Efitrano Fanjakana. “Misy hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’ ao amin’ilay rakibolana”, hoy ny sampana, “ary adikany tsara amin’ny fiteny chichewa ny anarantsika. Mba hampisehoana ny fomba azo ampiasana ny anarantsika ao anaty fehezanteny, dia izao ny ohatra omeny: ‘Nanorina fiangonana be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah.’”
Nanoratra toy izao ny biraon’ny sampana iray any amin’ny tany afrikanina hafa: “Nankany amin’ny tompon’andraikitra iray ireo rahalahy, mba hangataka ny hanorina Efitrano Fanjakana. Tonga dia norovitin’ilay lehilahy anefa ilay taratasy fangatahana, ary nariany avy eo. Napetrak’ireo rahalahy teo an-tanan’i Jehovah ilay raharaha, rehefa avy niverina tany fanintelony izy ireo. Notendren’ny fitondrana hizara ny vola hampindramina ny mpiasam-panjakana ny iray tamin’ireo
rahalahy ireo, tsy ela taorian’izay, noho izy fantatra ho manao ny marina.”“Mila manao fangatahana izay te hindrana amin’io vola io, ary anisan’ireo nanao izany ilay rangahy nandrovitra ny taratasin’ireo rahalahy. Tonga dia nivoaka ny biraon’ilay rahalahy izy, raha vao nahita azy. Niverina indray izy, herinandro taorian’izay, satria nanantena hahita olon-kafa. Nanatona azy anefa ilay rahalahy tamin’izay, sady nangataka ny taratasiny, ary nanaiky ny fangatahany. Menatra ilay tompon’andraikitra, ka nasainy namerina ny fangatahany ireo rahalahy. Izy mihitsy aza no nitondra ireo taratasy tany amin’ny lehibeny, ka nahazo lalana hanorina Efitrano Fanjakana ireo rahalahy. Nanaja ny Vavolombelon’i Jehovah izy nanomboka teo, ary niloa-bava hoe: ‘Tsy mba mamaly ratsy ny ratsy ry zareo.’”
Nilaza toy izao ny sampana tany Ukraine: “Niresaka tamin’ny mpanao mari-trano iray ireo rahalahy tany Artsyz, rehefa nitady tany. Nampiseho azy sarina Efitrano Fanjakana efa vita ireo rahalahy. Talanjona ilay ramatoa, ka nanao hoe: ‘Tokony ho etỳ akaikikaikin’ny biraon’ny fivondronantsika etỳ no hasiana Efitrano Fanjakana toy io, mba handravaka ny tanàna.’ Nanoro tany an’ireo rahalahy izy avy eo. Hoy indray ny lehiben’ny mpanao mari-trano tao amin’io faritra io: ‘Izay aho vao nahita mpivavaka mitovy hevitra momba ny planina hanaovana ny fiangonany, alohan’ny hanombohan’ny fanorenana. Mifanohitra amin’izany no mitranga matetika.’”
Nandalo teo amin’ny toerana nanorenana Efitrano Fanjakana tany Lisichansk ny vehivavy mpandraharaha iray, avy amin’ny tanàna tsy lavitra eo. Hoy izy: “Nijery anareo foana aho. Tokony hanamboatra Efitrano Fanjakana ohatra an’io any amin’ny tanàna misy ahy koa ianareo. Hanampy anareo mihitsy aho, mba hahazoana toerana mety tsara.” Nilaza ireo rahalahy fa Vavolombelona dimy monja no mipetraka amin’io toerana io, ka tsy mahafeno fepetra ho fiangonana na hahazo
efitrano. “Fa firy no ilainareo?”, hoy izy, sady nanampy hoe: “Izaho izany no fahenina.” Nivazivazy angamba izy rehefa niteny an’izany, kanefa nanaiky hianatra Baiboly izy.Efitrano fivoriambe vaovao
Notokanana tamin’iny taom-panompoana lasa iny ny Efitrano Fivoriambe tany: Newburgh, New York, sy West Palm Beach, Floride, any Amerika; Nhandeara sy Goiânia, any Brezila; Morne Daniel any Dominique; Machala any Ekoatera; Syrakosa, Sisila, any Italia; Gerehu any Papouasie-Nouvelle-Guinée; El Trébol, Santiago any Silia, ary Lomé any Togo. Hoy ny mpandraharaha iray mahakasika ilay tetikasa tany Newburgh: “Mahavariana mihitsy ny fikambananareo! Samy manana ny fiaviany sy ny talentany ary ny fahaizany ny mpiasa an-tsitrapo ampiasainareo, nefa dia mahay miara-miasa tsara. Mbola tsy nahita zavatra ohatra izany mihitsy aho!” Tsy ny hatsaran’ilay asa ihany no nampiaiky volana ny mpanara-maso ny taotrano, fa ireo rahalahy sy anabavy koa. “Tiako mihitsy ny manketỳ”, hoy izy. “Mahafinaritra ahy ny miaraka aminareo.”
May ny ampahadimin’ilay trano tany Newburgh, rehefa akaiky ho vita ilay tetikasa. Tsy kivy anefa ireo rahalahy, fa nanamboatra ny simba. Tsy ampy iray volana akory dia vita ilay trano, ka azo natao tamin’ny 19 Oktobra 2002 ihany ny fitokanana an’ilay Efitrano Fivoriambe. Hoy ny gazety iray teo an-toerana momba an’ireo mpiasa an-tsitrapo: “Miredareda kokoa ny finoan’izy ireo, raha ampitahaina amin’ilay afo nandoro ny ampahadimin’ilay trano 5 600 metatra toradroa.” Navelan’ny manam-pahefana homena ny anarana hoe Lalan’ny Firaisan-kina ilay lalana mankany amin’ny Efitrano Fivoriambe, ho fankasitrahana ny firaisan-kinan’ny vahoakan’Andriamanitra.
Fitokanana Betela
Nivory tamim-pilaminana ireo rahalahy tany Côte d’Ivoire, tamin’ny 29 Martsa 2003, mba hitokana ny tranon’ny
Betela vaovao tany Abidjan, na dia teo aza ny ady an-trano sy ny korontana ara-politika. Anisan’izany ny Efitrano Fanjakana vaovao iray, trano fonenana roa, ary trano fiasana iray misy efitrano fisakafoana lehibe, lakozia, efitra fanasan-damba, efitra fanatobiana entana, ary efitra fikojakojana. Lalana no manelanelana an’ilay trano vaovao sy ilay Betela tranainy izay vita tamin’ny 1982. Nisy 110 ny mpanao fanorenana teo an-toerana. Mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ny tany 15 no nanampy azy ireo, ary nianto-tena ny ankamaroany mba hahatongavana tany. I Sébastien Johnson, mpiandraikitra mpitety sampana, no nanao ilay lahateny fitokanana hoe “Aoka Ianao Hifantoka Amin’ny Fivavahana Marina.”Nisy 332 ny mpanatrika ny fitokanana ny Betelan’i Guyana, tamin’ny asabotsy 15 Febroary 2003. I Richard Kelsey, avy any amin’ny Betelan’i Alemaina no nanao ny lahateny fitokanana. Niresaka betsaka momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, izy tao amin’ny lahateniny. Nomarihiny anefa fa ny Zanak’i Jehovah lahitokana, izay noforoniny voalohany, no lehibe sady be voninahitra indrindra tamin’ny zavatra noforoniny. Maro tamin’ireo misionera nanompo tao fahiny no tonga nanatrika an’ilay fitokanana. Efa an-taona maro ny sasany tamin’izy ireo vao tafaverina tany indray! Tsy misy afa-tsy mpitory 2 000 mahery kely ao Guyana. Faly àry ny rehetra nahita olona 4 752, avy amin’ny firenena 12, nanatrika ny fandaharana manokana ny alahady.
Vao nitarina ny Betelan’i Haïti ao Saint-Marc, tanàna misy seranan-tsambo, 60 kilaometatra any avaratr’i Port-au-Prince. Nihetsi-po erỳ i George Corwin nitantara ny fitsidihany an’i Saint-Marc vao haingana. Misionera tany izy, maherin’ny 40 taona lasa izay, ary anisan’ny nanorina ny fiangonana voalohany tany an-toerana. Misy fiangonana lehibe efatra any izao. Nandray azy tamim-pifaliana ireo olona nampianariny Baiboly, izay efa Vavolombelona mahatoky ankehitriny. Latsaka
ny 900 ny mpitory tany Haïti, rehefa tonga tany ny Rahalahy Corwin. Trano kely nohofana no biraon’ny sampana tamin’izany, ary roa monja ny mpiasa tao.Nanamboarana Betela vaovao i Haïti tamin’ny 1986, nefa tsy ampy indray izany rehefa nandeha ny fotoana. Misy mpiasa 40 izao ao amin’ilay Betela vao nitarina, ary maherin’ny 12 000 ny isan’ny mpitory. Mpiasa an-tsitrapo avy any Alemaina, Aostralia, Danemark, Etazonia, Grande-Bretagne, ary Kanada no nandray anjara tamin’ny asa fanorenana. Nampianarin’izy ireo fomba tsara hanamboarana trano koa ireo mpiasa an-tsitrapo tany Haïti.
Tsy maintsy nohafarana tany ivelany avokoa ny fitaovana vaventy sy ny ankamaroan’ny fitaovana fanamboaran-trano, satria tsy nisy teo an-toerana. Nampiadana an’ilay asa izany indraindray, nefa tsy nampiato azy akory. Natao tamin’ny asabotsy 23 Novambra 2002 ny fitokanana. Nisy 3 122 ny mpanatrika, ary anisan’izany ireo solontena 240 avy amin’ny firenena 13. I David Splane, ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Maherin’ny 20 000 no nanatrika ny fandaharana manokana natao ny ampitson’io, tao amin’ny Kianjan’i Sylvio Cator, any Port-au-Prince.
“Aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy.” (Neh. 2:18) Tao amin’ny takelaka fanampiny, tamin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2000, tany Hongria, io teny fampaherezan’ny Jiosy nahatoky tamin’ny andron’i Nehemia io. Nasaina nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tranon’ny sampana vaovao, tany Budapest, ny vahoakan’i Jehovah rehetra nanerana an’ilay tany. Mpiasa an-tsitrapo 13 741, avy amin’ny fiangonana 251, no nandray anjara tamin’ilay tetikasa. Naharitra roa taona ilay asa, ary tafiditra tamin’izany ny fanavaozana ny toby miaramila taloha iray. Natao tamin’ny 10 Mey 2003 ny fitokanana, natrehin’ny vahiny 554 avy any amin’ny tany 22. I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ilay lahateny fitokanana hoe “Mampitombo Hatrany i Jehovah.”
Efa imbetsaka no nitarina ny Betelan’i Meksika. Notokanana tamin’ny 15 Martsa 2003 ireo trano 14 vaovao, izay nanampy an’ireo efa notokanana tamin’ny 1974 sy 1985 ary 1989. Tena sarotra ny nanao ny fototra teo amin’ilay tany 80 000 metatra toradroa, noho ny antony roa. Voalohany, malemy ilay tany satria nisy farihy teo taloha, ka tsy azo anorenana tranobe. Faharoa, misy horohoron-tany matetika eo amin’io faritra io. Mba hananana trano tsara fototra àry, dia andry miisa 3 261, vita amin’ny rihitra simenitra misy vy, no nalentika tany amin’ny 24 metatra ambanin’ny tany! Naharitra 12 taona ny fanomanana sy ny fanorenana, ary mpiasa an-tsitrapo
avy eo an-toerana 28 600 sy vahiny 734 no nanatanteraka izany.Nandray anjara tamin’ny fandaharam-pitokanana ny rahalahy telo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nilaza i Guy Pierce fa ahitana fifaliana lehibe ny fananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Nanazava i Theodore Jaracz fa maivana ny fisedrana iaretan’ny Kristianina ankehitriny, rehefa ampitahaina amin’ny fitahiana ho avy, raha mahatoky hatramin’ny farany izy. I Gerrit Lösch no nanao ilay lahateny fitokanana hoe “Manompoa An’ilay Andriamanitry ny Fahamarinana!”, tamin’ny teny espaniola.
Nisy trano maromaro notokanana tany amin’ny Betelan’i Peroa, tamin’ny 23 Novambra 2002. Anisan’izany ny trano misy rihana efatra, ahitana efitra fiasana sy efitrano fonenana. I Gerrit Lösch no nanao an’ilay lahateny fitokanana hoe “Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Fitomboana.” Olona 59 940 no nanatrika ilay fandaharana manokana natao ny ampison’io, tany amin’ny kianjan’i San Marcos, any Lima. Nantitranterina nandritra ilay fandaharana fa tena nitahy ny asan’ilay Fanjakana tany Peroa i Jehovah, ary nisongadina tokoa izany fitahiana izany! Vitsy kely mantsy ny mpitory sy olona liana tao amin’io firenena io tamin’ny 1946, rehefa tonga tany ireo misionera voalohany. Misy mpitory 87 318 sy fiangonana 916 anefa any Peroa ankehitriny.
Vahiny 600 sy Betelita 350 no nanatrika ny fitokanana tany amin’ny Betelan’i Rosia, tamin’ny 17 Mey 2003. Avy amin’ny
firenena 30 izy ireo, amin’ny fitambarany. Trano fonenana vaovao, trano fiasana, ary trano fanatobiana entana no notokanana tamin’izany. Vao enin-taona lasa izay no nisy fitokanana tany an-toerana. Nahoana àry no nilaina sahady ny fanitarana?Miandraikitra ny asa fitoriana any amin’ny firenena folo ny sampan’i Rosia any Solnechnoye, eo amin’ny sisin’ny tanànan’i Saint-Pétersbourg. Midadasika be io firenena io ka tsy mitovy ny ora any fa misy 11 samy hafa, ary maherin’ny 100 ny fiteny any. Mandray anjara lehibe amin’ny asa atao ao amin’ny Betela àry ny fandikan-teny, ary mitombo hatrany izany. Mandika boky sy gazety amin’ny fiteny 34 ireo rahalahy, ankehitriny. Nahatratra 40 000 koa ny isan’ny mpitory any amin’iny faritra iny, hatramin’ny nanaovana ny fitokanana farany, izany hoe mpitory efa ho 7 000 isan-taona! “Mitombo hatrany io isa io”, hoy ny sampana. ‘Nanalalaka ny fitoeran’ny lainy’ àry ireo rahalahy tany Rosia, noho ny fitahiana lehibe narotsak’i Jehovah.—Isaia 54:2.
Tonga tamin’ilay fitokanana ny asabotsy koa ireo zokiolona mahatoky maro, izay niaritra fisedrana mafy nandritra ny fitondrana sovietika. Nihaino tsara ny Rahalahy David Splane ny rehetra, tamin’izy nanao ilay lahateny fitokanana hoe “Hofenoiko Voninahitra ity Trano Ity”, miorina amin’ny Hagay 2:7. Nohazavainy fa mahafinaritra sy mahate hidera ny trano vaovao, kanefa ny fitondran-tena tsara sy ny toetra kristianina ananan’ny tsirairay no tena manome voninahitra an’i Jehovah sy mifanaraka amin’ny fivavahana marina. Namirifiry ny andro ny alahady maraina, nefa olona 9 800 no tonga nanatrika ilay fandaharana manokana tao amin’ny kianjan’i Kirov, Saint-Pétersbourg.
Misy 19 848 ireo mpanompo nekena hiasa ao amin’ireny sampana ireny eran-tany. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana Eran-tany, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy rehetra.
[Tabilao/Sary, pejy 12, 13]
ZAVA-NITRANGA VITSIVITSY TAMIN’NY TAOM-PANOMPOANA 2003
1 Septambra 2002:
1 Septambra: Vita amin’ny video ny lahatsoratra fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny Baiko Moana Amerikanina.
23 Novambra: Notokanana ny Betelan’i Haïti sy Peroa.
1 Janoary 2003:
1 Janoary: Nanomboka nampiasa ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ny fiangonana.
15 Febroary: Notokanana ny Betelan’i Guyana.
15 sy 29 Martsa: Notokanana ny Betelan’i Meksika sy Côte d’Ivoire.
16 Aprily: Nosamborin’ny polisy tany Asmara, Érythrée, ny mpanatrika ny Fahatsiarovana 164.
1 Mey 2003:
10 sy 17 Mey: Notokanana ny Betelan’i Hongria sy Rosia.
20 Mey: Voasoratra ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kosovo.
22 Mey: Neken’ny fitondran’i Romania ho fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahemotra ny fitsarana momba ny fandrarana ny Vavolombelona tany Moscou.
Aogositra: Napetraka tany amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne ny fanontam-pirinty MAN Roland Lithoman vaovao.
31 Aogositra 2003
31 Aogositra: Efitrano Fanjakana 7 730 no vita tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, nanomboka tamin’ny Novambra 1999.
Nisy mpitory 6 429 351 tany amin’ny tany 235.
[Sary]
Haïti
Peroa
[Tabilao, pejy 11]
(Jereo ny boky)
Fitomboan’ny fiteny:
Boky sy gazety rehetra
“Ny Tilikambo Fiambenana”
“Mifohaza!”
400
300
200
100
1880 1920 1960 2000
[Sary, pejy 14]
Mpampianatra tamin’ilay Sekoly Fanatsarana ny Fahaizana Teny Anglisy, miaraka amin’ny vadiny
[Sary, pejy 22, 23]
Fanontam-pirinty ampitahaina amin’ny bisy
Refin’ilay fanontam-pirinty:
Halavany: 41 metatra
Haavony: 5,5 metatra
Lanjany: 201 taonina
[Sary, pejy 28, 29]
Tranon’ny sampana notokanana vao haingana: 1) Guyana, 2) Hongria, ary 3) Côte d’Ivoire