Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Tahiti

Anisan’ireo toerana tsara indrindra eran-tany ireo nosy any Polinezia frantsay, misy an’i Tahiti. Poety sy mpanoratra maro no milaza fa paradisa izy ireny. Misy paradisa manintona kokoa anefa any amin’ireny nosy kanto any Pasifika ireny. Hohazavaina ato ny niandohan’io paradisa tsara kokoa io, sy ny fomba namokarany voa be dia be, ho fiderana an’i Jehovah.

Guyana

Midika hoe “Tanin’ny Rano” ny hoe Guyana. Mety tsara io anarana io, satria maro be ny renirano manerana an’ilay firenena, ka ireny no natao lalana nankany amin’ireo tanàna any afovoan-tany. Nandeha lakana sy sambo ny Vavolombelona, mba hitondrana ny ranon’ny fahamarinana tany amin’ilay mponina misy foko isan-karazany any Guyana, izay hany tany mampiasa ny teny anglisy any Amerika Atsimo.—Jaona 4:10.

Islandy

Eo ambany kelin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra no misy an’io firenena kanto io. Vongan-dranomandry sy volkano ary tendrombohitra no mandravaka an’ilay tany. Mbola kanto lavitra noho izany anefa ireo olona manompo an’i Jehovah. Hotantaraina ato ny amin’ireo mpanompon’i Jehovah nisetra zava-tsarotra maro, noho ny fitoriana ny vaovao tsara.