Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Guyana

Guyana

Guyana

“Tanin’ny Rano” no dikan’ny hoe Guyana, firenena any Amerika Atsimo, ary 130 kilaometatra any avaratry ny ekoatera monja ny sisin-tany atsimony. Tena mety io anarana io, satria renirano lehibe 40 sy renirano kely maro be no manondraka ny alan’i Guyana, izay mandrakotra ny ankamaroan’ny velaran-taniny, mahatratra 215 000 kilaometatra toradroa! Ny sasany amin’ireny renirano ireny no manasaraka an’i Guyana amin’i Brezila sy Suriname ary Venezoelà. Mamelona ny afovoan-tany koa ireo renirano, satria misy tanàna sy toeram-pambolena sy fiompiana koa manamorona azy ireny. Mifamatotra akaiky amin’ireny rano ireny tokoa ny varotra sy ny tantaran’i Guyana, anisan’izany ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah.

Ny renirano lehibe indrindra any andrefana ka hatrany atsinanana dia i Essequibo, Demerara, Berbice, ary Courantyne. I Essequibo no lava indrindra, satria 1 000 kilaometatra ny halavany, 30 kilaometatra ny sakany any amin’ny fiandohany, ary misy nosy 365 eo aminy. Iray amin’ireny ny Nosy Fort, foiben’ny fitondrana nandritra ny fanjanahan’ny Holandey. Any amin’ny tendrombohitra any afovoany atsimo ny loharanon’ireo renirano. Mikoriana mianavatra izy ireny, mamakivaky ny lohasaha tery any amoron-tsiraka, ary mivarina any amin’ny Oseana Atlantika. Amin’izy ireny no misy ireo riandrano anisan’ny mahafinaritra indrindra eran-tany, toy ny Riandranon’i Kaieteur, izay mahatratra 226 metatra ny haavony. Io riandrano io dia avy amin’ny Reniranon’i Potaro, izay 120 metatra ny sakany, ary mivarina any amin’ny Reniranon’i Essequibo.

Maro ny zavaboary kanto eto Guyana, ka tena paradisa ho an’ireo mpankafy ny voary eto. Hita ao amin’ireo reniranony ny loutre lehibe, voay mainty, ary ny pirarucu, izay anisan’ny trondron-dranomamy lehibe indrindra hita hatramin’izao. Mifoka rivotra sy mihinana nofo ireny biby goavana ireny, mety hahatratra telo metatra ny halavany, ary 220 kilaograma ny lanjany. Mirenireny mijoko remby any anaty ala maizina ny jagoara, mihorakoraka any ambony hazo any ny gidro mpikiakiaka, miaraka amin’ny karazam-borona 700 mahery, anisan’izany ny voromahery mpaka an-keriny, sy ny boloky maro loko ary ny toucans.

Misy 770 000 ny mponin’i Guyana. Anisan’izany ny Indianina tatsinanana (tonga avy any Inde mba hiantoka asa ny razamben’izy ireo), ny mainty hoditra (taranaka andevo afrikanina), ny Indianina Amerikanina (Arawak, Karaiba, Wapisiana, ary Warrau), ary ny metisy. Ampiasaina eran’i Guyana ny teny kreôla, fa ny teny anglisy no fiteny ofisialy. I Guyana àry no hany firenena miteny anglisy atỳ Amerika Atsimo.

Tonga teto Guyana ny ranon’ny fahamarinana

Nanomboka nitete teto Guyana tamin’ny 1900 tany ho any ny “rano” manala ny hetaheta ara-panahy ao amin’ny olona. (Jaona 4:14) Nahazo Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy i Peter Johassen, niasa tany amin’ny fitrandrahana ala teo amin’ny Reniranon’i Courantyne. Noresahiny tamin’Atoa Elgin ny zavatra novakiny, ary io kosa no nanoratra tany amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, sy nangataka boky ara-baiboly hafa, anisan’izany ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Niala tamin’ny fahamarinana i Elgin, nefa nisy olon-kafa nanjary liana, vokatry ny zavatra nataony. Niforona tany New Amsterdam, any amin’ny fiandohan’ny Reniranon’i Berbice, àry ny antokona mpianatra ny Baiboly.

Nahazo boky navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) koa i Edward Phillips, teto Georgetown, renivohitr’i Guyana. Te hizara izay fantany i Phillips, ka novoriny tao an-tranony ny havany sy ny namany, mba hiara-midinika ny Baiboly. Nanoratra tamin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana izy, tamin’ny 1908, mba hangatahana solontena ho eto Guyana (Guyane britannique tamin’izany). * Tonga efa-taona taorian’izay i Evander Coward, ary nanao lahateny ara-baiboly tamin’olona an-jatony, tafavory tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Georgetown sy New Amsterdam.

Nahatsiaro ny fitsidihan’i Coward i Frederick, zanak’i Phillips. Hoy izy: “Tsy ela dia fanta-daza eran’i Georgetown ny Rahalahy Coward, ka nisy olona liana nanjary niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, vokatry ny hafatra notoriny. Niarahana nidinika tamin’izany ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra sy Ny Zavaboary Vaovao ary boky hafa. Tsy ela dia tsy antonona intsony ny tranonay, ka nanomboka nohofaina tamin’ny 1913 ny ambony rihana tamin’ny Trano Somerset, teto Georgetown. Io no toeram-pivorian’ny fiangonana, hatramin’ny 1958.” Nomen’i Edward Phillips indray ny tranony tamin’ny 1914, fa saingy mba hasiana ny biraon’ny sampana voalohany teto Guyana kosa. Izy no mpiandraikitra ny birao, mandra-pahafatiny tamin’ny 1924.

Nandroso be ny asa fitoriana, tamin’ny 1916, vokatry ny fandefasana ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay misy sary mihetsika sy tsy mihetsika. “Nilamina sy nahazo fitahiana ara-panahy izahay tamin’izany”, hoy i Frederick. “Namoaka lahateny nataon’i Charles Russell, mpianatra ny Baiboly nalaza tamin’izany, mihitsy aza ny gazety teo an-toerana.”

Niova ny zava-nisy teto Guyana, tamin’ny 1917. Nafana fo tamin’ny ady koa ny ankamaroan’ny mponina, ary nisy mpitondra fivavahana nalaza iray aza nampirisika ny olona mba hivavaka ho an’ny Anglisy sy ny mpiray dina taminy. Nandefa taratasy ho an’ny mpanao gazety i Coward, ary nanazava ny zava-nisy eran-tany, araka ny faminanian’ny Baiboly. Nanao lahateny nafonja tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Georgetown koa izy, nitondra ny lohateny hoe “Fandravana ny Rindrin’i Babylona.”

“Tezitra be ny mpitondra fivavahana”, hoy ny tatitra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Oktobra 1983, “ka vitan’izy ireo ny nandresy lahatra ny mpitondra fanjakana mba handroaka ny Rahalahy Coward, sy handrara ny sasany tamin’ny bokintsika. Tamin’ny 1922 vao foana io fandrarana io.” Nanaja an’i Coward anefa ny olona, noho ny fahasahiany nitory. Nilahatra teny amin’ny seranan-tsambo mihitsy ny olona, rehefa handeha izy, ary niantsoantso hoe: “Izy ihany no tena nitory ny fahamarinana.” Nilaza mihitsy ireo mpiasan’ny seranana fa hitokona izy ireo, mba hanoherana ny fandroahana an’i Coward. Notenenin’ireo rahalahy anefa izy ireo mba tsy hanao izany.

Niatrika fitsapana an-kolaka kokoa ny Mpianatra ny Baiboly, taorian’ny ady lehibe voalohany, ary nanakantsakana ny fitoriana izany, nandritra ny fotoana kelikely. Lasa nivadi-pinoana ny rahalahy iray, anisan’ny mpiasan’ny foibe tany Brooklyn, ary tonga teto Guyana matetika izy, mba hitarika an’ireo Mpianatra ny Baiboly hiala tamin’ny fandaminana.

“Nizara telo ny Mpianatra ny Baiboly teto, nandritra ny fotoana kelikely”, hoy ilay Ny Tilikambo Fiambenana voatonona etsy ambony. “Ny iray tsy nivadika tamin’ny fandaminana, ny faharoa nanohitra, ary ny fahatelo tsy nahita izay hatao. Ireo tsy nivadika ihany anefa no notahin’i Jehovah, ka tena nandroso.” Anisan’ireo tsy nivadika i Malcolm Hall sy Felix Powlett, vita batisa tamin’ny 1915 sy 1916. Nazoto nanompo an’i Jehovah foana izy ireo, ary velona hatramin’ny faha-90 taonany mahery.

Nijanona nandritra ny telo volana teo ho eo koa i George Young, avy any amin’ny foibe, tamin’ny 1922, mba hampaherezana kokoa an’ireo rahalahy. “Tena nazoto niasa izy”, hoy i Felix Powlett. Nahay tsara ny Soratra Masina izy, nanana feo mafy, nanao fihetsehana nety tsara, ary nampiasa zavatra hita maso rehefa nampianatra, ka maro no nanjary te handinika lalina kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1923, araka ny tatitra nataon’i Young: “Nihamaro be ny olona liana tamin’ny fahamarinana tany, nihabetsaka ny mpanatrika fivoriana ho an’ny besinimaro, feno hipoka ireo trano, ary nitombo toy izany koa ny zotom-po sy ny fahafoizan-tenan’ireo rahalahy.” Nisy 100, ohatra, ny salanisan’ny mpanatrika tao amin’ny Trano Somerset, na dia 25 monja aza ny mpitory ilay Fanjakana tao tamin’izany.

Niezaka nitory tamin’ny mponina tany afovoan-tany lavitra koa ireo rahalahy, tamin’ny 1923. Fandriana harato mihantona sy boky ihany no nentin’izy ireo matetika, fa niantehitra tamin’ny hatsaram-panahin’ny olona izy ireo mba hahazoany sakafo. Nandroso an-trano izy ireo, raha nisy nanome efitra hatoriana. Raha tsy nisy kosa, dia nahanton’izy ireo teny ambany hazo teny fotsiny ny fandriana haratony, ary teo izy no natory, na dia be aza ny moka. Nandinika andinin-teny avy ao amin’ny Mana avy any An-danitra Isan’andro (navoakan’ny fandaminan’i Jehovah) izy ireo ny maraina, ary nandeha tamin’ny lalan-kely na nangataka handeha sambo ho any amin’ny tanàna nanaraka.

Niezaka nitory tamin’ny olona tany amin’ny toerana lavitra foana ireo rahalahy, hatramin’ny Ady Lehibe II, na dia voafetra aza ny solika, ka sarotra ny nanao dia. Nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah koa ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1931. Nandray tsara avy hatrany an’io anarana io ireo antokona Mpianatra ny Baiboly tany amoron-tsiraka rehetra, ka vao mainka nazoto nanompo. Nanomboka nampiasa grafofaonina nandefasana lahateny ara-baiboly ny mpitory, tamin’ireo taona 1930. Hoy i Frederick Phillips, mpiandraikitra ny sampana tamin’izany: “Tsy nisy radio tamin’izany, ka ny mozika avy amin’ny fanamafisam-peonay, no famantarana voalohany fa tonga izahay. Diska nisy lahateny no nalefa taorian’ny mozika. Niangona nanodidina anay ny ankamaroan’ny mponina tao an-tanàna, ary mbola nanao akanjomandry mihitsy aza ny sasany.”

Nandray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara koa ny radio. Nandefa ny hafatr’ilay Fanjakana ny radio iray teto Guyana, isaky ny alahady sy alarobia. Mazava ho azy fa hitan’i Satana izany asa rehetra izany, ka nohararaotiny ny fitiavan-tanindrazana nateraky ny Ady Lehibe II, mba hanakantsakanana ny asa.

Ny asa nandritra ny Ady Lehibe II sy taoriany

Mpitory 52 no teto Guyana tamin’ny 1941, nandritra ny Ady Lehibe II. Voarara Ny Tilikambo Fiambenana sy Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny) tamin’io taona io. Ny bokin’ny vahoakan’i Jehovah rehetra mihitsy no voarara, tamin’ny 1944. “Norarana tsy hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia ny Baiboly, tsy nisy fanazavana avy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana aza, fa fanontana nataon’ny mpanonta Baiboly fotsiny”, hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1946.

Nitsidika an’i Guyana i Nathan Knorr avy any amin’ny foibe, tamin’ny Aprily 1946. Niaraka taminy i William Tracy, vao nahazo diplaoman’i Gileada. Ny hampahery an’ireo rahalahy sy hangataka amin’ny fitondrana mba hanala ilay fandrarana, no tanjon’izy ireo. Nohazavain’ny Rahalahy Knorr tamin’ireo mpanatrika 180 tao amin’ilay fivoriana teto Georgetown fa tsy nanana Baiboly sy boky nanampy azy teny amin’ny fanompoana ny mpianatr’i Jesosy voalohany. Notahin’i Jehovah anefa izy ireo, ary tena nihamaro. Nahoana? Satria nitory foana izy ireo. Ka tsy hanao toy izany koa ve Andriamanitra, amin’ireo mpanompony ankehitriny, vonona hanao ilay asa? Hanao izany tokoa izy!

Nitady fomba araka ny lalàna mba hanesorana an’ilay fandrarana ireo rahalahy, nandritra izany. Nahangona sonia 31 370, ohatra, izy ireo, herintaona latsaka taorian’ny nifaranan’ny ady, mba hanoherana an’ilay fandrarana. Naroso tamin’ny fitondram-panjakana avy eo ilay fangatahana. Namoaka trakta kely koa ny fandaminan’i Jehovah, mba hampahafantarana amin’ny mponin’i Guyana ny tena zava-misy. Izao no lohateny lehibe tao: “VOARARA ETO GUYANE BRITANNIQUE NY BAIBOLY MASINA—OLONA 31 000 NANAO SONIA FANGATAHANA TAMIN’NY GOVERNORA, mba hamerenana ny fahalalahana ara-pivavahan’ny mponina rehetra eto, na inona na inona foto-pinoany.”

Nihaona tamin’i W. Heape, lehiben’ny mpanjana-tany, koa ny Rahalahy Knorr mba hanesorana ilay fandrarana. Antsasak’adiny izy ireo no niresaka, ary nomen’ny Rahalahy Knorr azy ny boky hoe “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo”, sady nasainy novakiny tsara. Nampanantena ny hanao izany Atoa Heape. Nilazany mihitsy aza ny Rahalahy Knorr fa notapahin’ireo olona sivy anisan’ny komity mpanatanteraka, hoe hesorina ilay fandrarana, tamin’io fotoana io mihitsy! Marina izany, satria namoaka didy nanafoana an’ilay lalàna ny governora tamin’ny Jona 1946.

Naverina tamin’ireo rahalahy, tsy ela taorian’izay, ny baoritra 130 feno vovoka, nisy boky sy bokikely 11 798. Faly ireo mpitory 70, satria afaka nametraka boky indray, ka roa volana sy tapany monja dia voapetrany ireo boky be dia be. Nanomboka nitory teny an-dalana koa ireo rahalahy, ny Aogositra, ka tsara ny vokatra. “Voapetraka haingana, toy ny gazety namidy teo an-toerana, ireo gazetintsika”, hoy ny sampana.

Nahazo sakafo ara-panahy sarobidy foana ireo rahalahy, na dia nandritra ny fandrarana aza, vokatry ny ezaka nataon’ny rahalahy iray niasa tao amin’ny paositra teto Georgetown. Hoy izy: “Tsapako fa tokony hataoko izay hahatongavan’ny Tilikambo Fiambenana tany amin’ny sampana. Nampian’ireo anabavy aho, ka nosoratana tamin’ny milina, na natao stencil ireo lahatsoratra fianarana, ary nifandimby namaky azy ireny ny fianakaviana, talohan’ny nianarana azy tany am-pivoriana.”

Nampandroso ny asa ny misionera vaovao

Vao mainka mandeha mafy ny fiara, rehefa mamindra vitesy. “Namindra vitesy” toy izany koa ny fitoriana teto Guyana, rehefa tonga ny misioneran’i Gileada, tany antenatenan’ireo taona 1940. Anisan’ireny i William Tracy, avy tamin’ny kilasy fahatelo, John sy Daisy Hemmaway, ary Ruth sy Alice Miller, avy tamin’ny kilasy fahadimy. Nampitain’ireo Vavolombelona be zotom-po ireo tamin’ny rahalahy teto an-toerana ny zavatra nianarany tany Gileada, ary nanome ohatra tsara izy ireo teny amin’ny saha.

Nahaliana ny Rahalahy Tracy ireo nipetraka tany amin’ny toerana lavitra. Hoy izy: “Noteteziko ilay tany, ary nivezivezy niakatra sy nidina ny morontsiraka aho, sady nitety renirano mba hihaona tamin’ny olona liana sy hitory. Nandeha fiarandalamby aho, nandeha bisy, bisikileta, sambo lehibe mpandeha amin’ny renirano, sambokely, ary lakana mihitsy aza.”

Nanampy ny mpisava lalana koa ny misionera mba handamin-javatra tsara, ka ho afaka hiasa tsara ny faritany. Nitory tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana mihitsy aza izy ireo, raha nety. Tadidio fa fiangonana dimy monja no teto Guyana tamin’ny 1946, ary 91 ny mpitory. Vonona hanao izany asa sarotra izany anefa ireo nahazo ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ireo.—Zak. 4:6.

Efa zokiolona ny ankamaroan’ny mpisava lalana niara-niasa tamin’ny misionera, tamin’ny voalohany. Tena nazoto nitory anefa izy ireo. Anisan’izany i Isaac Graves, George Headley, Leslie Mayers, Rockliffe Pollard, ary George Yearwood. Anisan’ireo anabavy kosa i Margaret Dooknie, Ivy Hinds, Frances Jordan, Florence Thom, Atalanta Williams, ary Princess Williams (tsy mpihavana). Boky sy bokikely ary gazety no nentin’izy ireo nitory ilay Fanjakana tany amin’ny toerana lavitra.

Notendrena ho any Bartica, any akaikin’ny Reniranon’i Essequibo, 80 kilaometatra any afovoan-tany, i Ivy Hinds (Wyatt ankehitriny) sy Florence Thom (Brissett ankehitriny). Io no tanàna tsy maintsy andalovan’ny mpitrandraka volamena sy diamondra. Nisy rahalahy iray nipetraka tany. Hoy i John Ponting, mpiandraikitra ny sampana sy mpiandraikitra ny faritra tamin’izany: “Roa volana monja, dia efa 20 ny mpanatrika fivoriana, ary 50 no nanatrika ny Fahatsiarovana.” Anisan’ireo nanaiky ny fahamarinana i Jerome Flavius, izay jamba tanteraka. Hoy i John: “Tsy ela izy dia nanao lahateny samirery, rehefa namerimberina namaky azy io taminy tsara i Ivy Hinds.”

Efa ho 70 taona i Esther Richmond sy Frances Jordan, samy mpisava lalana, vao nianatra nitaingina bisikileta, mba hitoriana tamin’ny faritany maro kokoa. “Nandeha an-tongotra i Margaret Dooknie, izay tsy mahatsiaro intsony ny isan’ny taona nanaovany ny asan’ny mpisava lalana, ka rehefa reraka tanteraka izy vao nijanona. Tafatory teny ambony dabilion-jaridaina izy indraindray”, hoy ny Rahalahy Ponting. “Tsy hadinonay mihitsy ny olona toy izany.”

Maro ny tanora nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, rehefa nahita ny zotom-pon’ny misionera sy ny mpisava lalana efa zokinjokiny. Olona maro àry no tonga tao amin’ny fahamarinana, ary nisy antoko-mpitory sy fiangonana niforona tany amin’ny faritra samihafa teto Guyana. Nisy mpitory 220 teto tamin’ny 1948. Nitombo ho 434 izany tamin’ny 1954. Nitombo koa ilay antoko-mpitory tany Kitty-Newtown, izay nivory tao amin’ny Trano Somerset, ka lasa nisy fiangonana faharoa nantsoina hoe Newtown tao. Misy fiangonana sivy izao eto Georgetown.

Sarety nisy fanamafisam-peo sy bisikileta ary ampondra

Nanao lahateny ankalamanjana eran’i Georgetown ireo rahalahy ny asabotsy takariva sy ny alahady tolakandro, tany am-piandohan’ireo taona 1950, teo ambany fitarihan’ny biraon’ny sampana. Nampiasa sarety nisy fanamafisam-peo izy ireo, ary izy ireo ihany no nanamboatra azy io. Nisy ampli natanjaka be tamin’izy io, haut-parleurs roa lehibe, lampihazo, ary kabla. Hoy i Albert Small, vita batisa tamin’ny 1949: “Nisy tabilao napetraka teo amin’ilay toeram-pivoriana, nandritra ilay andro. Nilaza izy io hoe ‘Voavaly ny Fanontanianao Ara-baiboly’, ary nomeny ny ora hanaovana ilay fivoriana. Maro no nanatrika azy ireny, ary nisy tonga tao amin’ny fahamarinana tatỳ aoriana.”

Nanao lahateny tao amin’ny Globe Cinema, teto Georgetown i Nathan Knorr sy Milton Henschel mpitan-tsorany, tamin’ny 1954, mba hampisehoana ny fitomboana mety hisy. Nanatrika azy io i John Ponting. Hoy izy: “Feno daholo ireo seza 1 400, ary 700 no nihaino tamin’ny haut-parleurs navoaka tany ivelany. Avy be anefa ny orana, ka maro no nisisika tao anatiny. Nanao filaharana am-bisikileta izahay, sady nilanja soratra, mba hampahafantarana momba ilay fandaharana. Rehefa maizina ny andro, dia nampiasa soratra notarafina jiro notarihin’ny ampondra izahay, ary nisy rahalahy iray niteny tamin’ny fanamafisam-peo.”

Dia hafa tany afovoan-tany

Nampirisika an’ireo rahalahy i William Tracy, tamin’izy mpiandraikitra ny sampana, mba hitory any amin’ny faritany mitokana. Nitsidika toerana tany amin’ny Reniranon’i Essequibo sy Berbice mihitsy izy, ary nandamina fivoriamben’ny faritra ho an’ireo antoko-mpitory sy fiangonana kely tany. Matetika no natao tany amin’ny sinema na fianarana ireo fivoriambe, satria ny sinema ihany no mba toerana lehibe. Nahaliana olona maro ilay lahateny hoe “Fampitahorana Fotsiny ny Helo”, natao tany amin’ny sinema tany Suddie, any akaikin’ny fiandohan’ny Reniranon’i Essequibo, tamin’ny 1949. Nisy nanomboka niantso ny Vavolombelon’i Jehovah hoe fiangonana tsy misy afobe.

Notendrena ho any Etazonia indray i William Tracy, tamin’ny 1950, taorian’ny nanambadiany. I John Ponting no lasa mpiandraikitra ny sampana sy mpiandraikitra mpitety faritany nisolo azy. Nitory tany amin’ny faritany nanamorona ny renirano koa i John. Nandeha tamin’ny fitateram-bahoaka ireo rahalahy. Nangataka mba hoentina any an-tanàna izy ireo, rehefa nankeo amin’ny sambon’ny paositra ny lakan’ny tompon-tanàna mba haka sy hanatitra taratasy. Nino izy ireo fa hisy hanome sakafo sy filasiana ho azy. Nitory tao an-tanàna izy ireo, ary nipetraka tany amin’ny iray amin’ireo fianakaviana tao, rehefa alina. Nisy nitondra azy tamin’ny lakana indray ny ampitso, mba hitoriany tamin’ny tanàna nanaraka. Nitsidika toerana fanaovan-kazo izy ireo indray hariva. Najanon’ilay lehibe ny asa, nangoniny daholo ny mpiasa, ary navelany hanao lahateny naharitra 15 minitra ireo rahalahy. Nandray boky avokoa izy rehetra.

Voatendry ho eto Guyana i Thomas Markevich, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-19 tamin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny Jolay 1952. Nandeha tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana koa izy. Hoy izy: “Tena hafa mihitsy ny fifalianao, rehefa mitory amin’olona mbola tsy nisy nitory mihitsy ianao. Misy zavatra tsy ampoizinao anefa indraindray. Nandeha sambo ho any Demerara aho indray mandeha, ary nahita trano bongo kely tany anaty ala be. Niarahaba ahy ilay olona tao, nanasa ahy handroso, nanome seza, ary nihaino izay nolazaiko. Hitako anefa, rehefa nanopy maso nanodidina aho, fa nandrakotra an’ireo rindrina ny pejin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ireo taona 1940! Efa nisy nitory tamin’ilay olona talohako, angamba teny ambony sambo, na tany Georgetown na Mackenzie.”

I Donald Bolinger, misionera, no voalohany nanao ilay dia sarotra nankany amin’ny Riandranon’i Kaieteur. Nitory tamin’ny Indianina Amerikanina tany izy, rehefa tafahaona tamin’ny mpiasam-panjakana niara-niasa tamin’ireo tompon-tany. Nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah io lehilahy io tatỳ aoriana, ary nikarakara an’ilay antoko-mpitory niforona tany. Nisy mpitory nifindra, noho ny asany, tany amin’ny toerana mitokana toy ny toeram-pitrandrahana diamondra sy volamena. Nitory tao amin’ireo toby anefa izy ireo, na dia tsy nisy namana aza. Inona no nanampy azy ireo hanana finoana natanjaka foana? Ny fianarana sy fitoriana tsy tapaka.

Fanompoana ‘nahafinaritra sy nahafa-po’

Nanompo teto Guyana i John sy Daisy Hemmaway, misionera, tamin’ny 1946-1961. Nijanona tapa-bolana tany amin’ny fivondronana avaratrandrefana, any akaikin’i Venezoelà, izy ireo indraindray, rehefa vakansy. Misy foko karaiba sy arawak ary tompon-tany hafa any. Nahapetraka boky betsaka tamin’ny Arawak izy ireo, indray mandeha. Tsy faly tamin’izany ny masera niandraikitra ny sekoly teo an-toerana. Nanontaniany mihitsy ny mpianatra raha nandray boky ny ray aman-dreniny. Tezitra ireo ray aman-dreny, rehefa nandre izany, ary nilaza tamin’ny pretra fa izy ireo ihany no tokony hifidy izay boky tiany hovakina. Vao mainka anefa nambanin’ilay pretra nandritra ny lamesa indray alahady ilay bokikely hoe Afaka ny Hiaina Mandrakizay sy ho Sambatra eto An-tany ve Ianao?, satria maro no nandray azy io. Tsy araka ny nanampoizany azy ny vokany, satria maro no nanatona an’i John sy Daisy hangataka an’io boky io, rehefa handeha ry zareo.

Nandeha baka sy lamasinina ary kamiao i John sy Daisy, mba hahatongavana tany amin’io faritra io (300 kilaometatra any afovoan-tany). Nitondra vatsy sy boky ary bisikileta iray izy ireo, satria tena nilaina izany mba handehanana tamin’ny lalana be vovoka mankany amin’ny lalan-kely indianina. Hoy i John: “Nisampantsampana be ireny lalan-kely ireny, ka tsy maintsy nitadidy tsara ianao, na nanapaka rantsankazo teny amin’ireo sampanana, mba hahitanao ny lalana miverina. Ny mijoro tsara tsy mihetsika mihitsy sy mijery fotsiny no fanao, raha sendra misy sakadia mifanena aminao. Miala moramora izy avy eo. Any an-tampon’ny hazo ny gidro, mikiakiaka ho fanoherany ny fidiranao. Ny bibikamo kosa mihantona mitsongoloka eo, sady kamo be mijery anao mandalo. Hitanao tsindraindray eny an-dalana eny ny toucans maro loko mihinana papay.”

Izao no filazan’ny Rahalahy Hemmaway ny fihetseham-pony, rehefa avy nanao asa misionera nandritra ny 15 taona teto Guyana izy mivady: “Tena nahafinaritra! Nahafa-po e! Tsy misy mahafa-po noho ny mipetraka eo amin’ny tany ao anaty trano falafa, miresaka amin’ny Indianina Amerikanina mahakasika ny Fanjakan’Andriamanitra, sy mampianatra azy fomba fiaina vaovao. Fahatsiarovana tsy ho lefy mihitsy ny nahita azy ireny nandray ny fampianarana ara-baiboly sy nanolo-tena ho an’Andriamanitra.”

Nanatrika sekolin’i Gileada ny mpisava lalana teto Guyana

Nisy mpisava lalana teto koa nahazo tombontsoa hanatrika ny Sekolin’i Gileada, ary notendrena ho eto Guyana ihany ny sasany. Anisan’izany i Florence Thom (Brissett ankehitriny), kilasy faha-21, 1953; Albert sy Sheila Small, kilasy faha-31, 1958; ary Frederick McAlman, kilasy faha-48, 1970.

Hoy i Florence Brissett: “Nanantena ny ho voatendry tany an-tany hafa aho, nefa fitahiana avy amin’i Jehovah ny fanendrena ahy ho any Skeldon, eto Guyana. Nanaiky hianatra Baiboly ny maro tamin’ny mpiara-mianatra sy mpampianatra ary namana sy tapaka fahiny, satria fantany aho. Nangataka fampianarana mihitsy aza ny sasany! Anisan’izany i Edward King. Efa nampianariko Baiboly ny vadiny. Ren’ny pretra anglikanina fa nianatra Baiboly ny vadin’i Edward, ka nantsoiny i Edward, ary nasainy nanajanona an’ilay fianarana. Tsy nanaiky anefa izy, fa vao mainka nanomboka nianatra.”

Voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana sy mpiandraikitra ny faritra nandritra ny taona maro i Albert Small, rehefa avy nanatrika ny Sekolin’i Gileada izy mivady. Mbola mpisava lalana manokana izao izy sy Sheila, na dia tsy salama loatra aza, ary anti-panahy ny Rahalahy Small. Tsy ny rehetra avy eto Guyana no notendrena ho eto. Voatendry ho any Sierra Leone, ohatra, i Lynette Peters, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-48. Mbola manompo amim-pahatokiana any izy ankehitriny.

Nahatonga ny olona ho liana ilay sarimihetsika

Sarimihetsika fampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo taona 1950 ilay hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa. Niresaka ny foibe any Brooklyn izy io, ary nanazava momba ny fivoriambe lehibe natao tany amin’ny Yankee Stadium, any New York, tamin’ny 1953. Nanampy ny Vavolombelona sy ny olon-kafa izy io mba hahafantatra kokoa ny fandaminan’i Jehovah sy ny asany. Nisy vokany lehibe teo amin’ny olona tany anaty ala io sarimihetsika io, satria maro taminy no mbola tsy nahita sarimihetsika mihitsy!

Naseho teny ankalamanjana matetika izy io. Nandeha an-tongotra kilaometatra maro ny olona mba hijery azy io. Ahoana anefa no nandefasan’ireo rahalahy azy io tany amin’ny toerana tsy nisy jiro? Nandefa azy io imbetsaka i Alan Johnstone, misioneran’i Gileada tonga tamin’ny 1957, sady mpiandraikitra ny faritra. Hoy izy: “Nisy olona tsara fanahy nampindrana ny gropy fandefasany jiro tao am-pivarotany, rehefa tsy nisy herinaratra. Lambam-pandriana lehibe kosa no novelarina teo anelanelan’ny hazo roa, mba handefasana ny sary.”

Nandeha sambo i John sy Daisy Hemmaway indray mandeha, rehefa avy nandefa an’ilay sarimihetsika. Maro ny mpandeha efa nandre momba ilay sarimihetsika, ka te hahita azy io koa. Niera tamin’ny kapitenin-tsambo àry izy ireo, ka nahazo namelatra lamba teo an-tokotanin-tsambo, ary tao amin’ny efitra kely iray nety tsara kosa no nametrahana an’ilay fitaovana fandefasana. “Nisy mpitondra fivavahana anglikanina sy katolika tao”, hoy i John. “Tsy nijery an’ilay sarimihetsika izy ireo, teny an-tanety, fa angamba voatery nijery an’ilay izy tao anaty sambo. Efitra kelin’izy ireo mihitsy ilay efitra nametrahana ny fitaovana. Nametraka fanontaniana be dia be tamin’izy ireo, avy eo, ny mpandeha, nefa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nahay namaly an’izany.”

Nanoratra toy izao i John Ponting, mahakasika ny vokatr’ilay sarimihetsika: “Tena nahomby ilay sarimihetsika tany amin’ny toerana vitsy Vavolombelona sy niheveran’ny olona azy ireo ho tsinontsinona. Nanjary nanaja antsika koa ireo mpisalasala, satria hitany fa fandaminana misy olona avy amin’ny foko samihafa sy eran-tany ny Vavolombelona. Tena nanova ny fiainan’ireo nanaiky hianatra ny Baiboly izy io. Lasa anti-panahy ny sasany tamin’izy ireny, tatỳ aoriana. Nandefa azy io im-17 (teny ankalamanjana matetika) ny mpiandraikitra ny faritra iray tao anatin’ny tapa-bolana, ka 5 000 ny mpanatrika.”

“Nisy mpiandraikitra ny faritra iray nandeha lakana nandritra ny roa andro, teny ambony rano mikoriana mafy. Namakivaky lalan-kely tany anaty ala izy avy eo. Afa-po anefa izy rehefa nisy Indianina Amerikanina nankafy an’ilay sarimihetsika, izay voalohany hitany hatramin’izay niainany. Nandray gazety ny maro tamin’ireo mponina, ny ampitson’iny, na dia Presbyterianina aza ny ankamaroany. Niova be àry ny fijerin’ny mponina ny vahoakan’i Jehovah, taorian’io.”

Nisy korontana ara-politika sy ara-poko teto Guyana, tamin’ny 1953-1966. Ny taona 1961-1964 no ratsy indrindra, satria nisy rotaka, fandrobana, famonoana olona, ary grevy be. Tsy nisy intsony ny fitateram-bahoaka, ary natahotra daholo ny olona. Tsy nenjehina nivantana ireo rahalahy, nefa nijaly vokatry ny zava-nisy ny sasany. Nokapohina, ohatra, ny rahalahy roa, ary nisy roa hafa (anisan’izany i Albert Small) voan’ny bala, ka tsy maintsy niditra hopitaly mba hanesorana izany. Voatery nisalovana ny miaramila britanika, tamin’ny farany.

Tsara ny nandefasana an’ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa, tamin’izany, satria nasehon’izy io fa misy olona avy amin’ny firenena rehetra, tena milamina sy miray saina! Nanatrika fivoriana sy nanao fanompoana foana koa ireo rahalahy, na dia tsy nisy fitateram-bahoaka aza. Nandeha an-tongotra lavitra kokoa fotsiny izy ireo, na nandeha bisikileta. Naneho tena fitiavana kristianina koa izy ireo, ary “nifampiahy sy nifampizara”, hoy i Albert Small.

Nampandroso ny asa ireo anabavy

Nitory tany amin’ny toerana lavitra koa ny anabavy. Notendrena ho mpisava lalana manokana tany Bartica, any anaty ala, ohatra, i Ivy Hinds sy Florence Thom. Nipetraka tany i Mahadeo, efa mpitory, sy Jamela vadiny. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra i Jamela, satria tsy navela hianatra ny ankamaroan’ny tovovavy indianina tatsinanana toa azy. Te hamaky ny Baiboly sy hanampy ny zanany lahikely roa anefa izy. “Vetivety dia nahay namaky teny sy nanoratra ary nitory tamin’ny olona izy”, hoy i Florence, “noho ny fitahian’i Jehovah sy ny fanampiako.”

Mbola tsy nahita toerana nety hipetrahana ihany i Florence sy Ivy, taorian’ny roa volana nahatongavany. Nila toerana hivoriana koa izy ireo, satria efa folo mahery ny olona nampianariny Baiboly. Vao mainka sahirana izy ireo, rehefa nahazo taratasy nilaza ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Ilay herinandro hahatongavan’ny mpiasa avy any afovoan-tany sy mpivaro-tena maro avy eto Georgetown tany Bartica koa no hahatongavan’ilay mpiandraikitra, ka hitombo avo telo heny ny mponina!

Nanampy anefa i Jehovah. Hoy i Florence: “Nisy olona nanaiky hampanofa efitra fandriana roa tany afovoan-tanàna, ny takariva talohan’ny nahatongavan’ny mpiandraikitra ny faritra. Niasa mafy izahay nanadio sy nandoko ny rindrina, ary nikosoka ny gorodona. Nanantona ridao sy nitaona fanaka izahay, ka efa mangiran-dratsy vao vita. Enjikenjika izany an! Saika tsy nino izay nolazainay i John Ponting, ilay mpiandraikitra ny faritra nitsidika anay. Nisy 22 ny mpanatrika tamin’ilay alina voalohany nitsidihany, ka hita fa maro ny olona mety ho anisan’ny Fiangonana Bartica.”

Nitety renirano tamin’ny sambo Mpitory Ilay Fanjakana

Nanararaotra izay sambo sy lakana nandalo ireo rahalahy taloha, mba hitetezana tanàna kely nanamorona ny renirano. Nividy sambo izy ireo tatỳ aoriana, ka nomeny anarana hoe Mpitory Ilay Fanjakana I, Mpitory Ilay Fanjakana II, sy ny sisa, hatramin’ny faha-5. (Tsy miasa intsony izao ireo roa voalohany.)

Hoy i Frederick McAlman: “Nandeha izahay rehefa nidina kely ny rano, ary nitory tany amin’ny ilany atsinanana tamin’ny Reniranon’i Pomeroon, mandra-pahatonga tany Hackney, 11 kilaometatra tsy hahatongavana eo amin’ilay vinany. Natory tao an-tranon’ny Anabavy DeCambra (mpampivelona tao an-tanàna tamin’izany) izahay ny alina. Niala maraina indray izahay, nandeha hatrany amin’ilay vinany, ary niampita tamin’ny ilany andrefana. Nandeha lakana niverina 34 kilaometatra hatrany Charity izahay avy eo.” Nivoy lakana niaka-nidina teo amin’i Pomeroon ireo rahalahy nandritra ny dimy taona, izay vao nahazo maotera hatao tamin’ilay lakana.

Tsy nampidi-doza matetika ny nandeha lakana tamin’ireo renirano, nefa tsy maintsy nitandrina ireo rahalahy, satria nisy sambo hafa nivezivezy teo. Tsy nandeha mafy koa ny Mpitory Ilay Fanjakana I sy II, satria novoizina. Hoy i Frederick: “Nisy sambo mpitondra entana nandeha mafy nandona ahy, indray asabotsy hariva, rehefa nody avy nitory tany amin’ny Reniranon’i Pomeroon aho. Tsy nijery lalana ny kapiteny sy ny ekipany, satria efa mamomamo. Tafapitika nivoaka ny Mpitory Ilay Fanjakana I aho, ka latsaka tao anaty rano, tao ambanin’ilay sambo. Nilentika aho, ary niady mba ho velona tao anaty haizina tao. Nidona matetika tamin’ny fanambanin’ny sambon’izy ireo ny lohako, ary nanakaiky kely an’ilay helisin’ny maoterany matanjaka be. Nahita ahy ny tovolahy iray tao amin’ilay sambo, ka nitsambikina tao anaty rano mba hamonjy ahy. Narary be nandritra ny herinandro vitsivitsy aho, noho ny ratra nahazo ahy. Faly anefa aho satria mbola velona!”

Tsy nampitsahatra an’i Frederick io loza io. “Tapa-kevitra ny handeha foana aho”, hoy izy, “satria maro ny olona liana nanamorona an’ilay renirano. Nisy Fianarana Boky niantehitra tamiko tany Sirikie, 11 kilaometatra avy eo Charity.”

Herinandro fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra

Mandreraka ny asa fitetezam-paritany any ambanivohitr’i Guyana. Tsy maintsy mandeha sambo ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny, mitety lalana be vovoka sy lalan-kely any anaty ala, miatrika moka sy bibikely hafa, sakadia, oram-be, ary mpangalatra any amin’ny toerana sasany. Mety ho voan’ny tazo sy tefoedra, na aretina hafa koa izy ireo.

Manazava ny fitsidihana mpitory mitokana manamorona ny Reniranon’i Demerara ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Hoy izy: “Nitsidika ny Fiangonana Mackenzie izahay, ka nandeha vedety ny alatsinainy, mba hitsidika rahalahy iray tany Yaruni, manamorona an’i Demerara ihany, saingy 40 kilaometatra avy ao Mackenzie kosa. Nandeha lakana kely izahay mba hitoriana tamin’ny andaniny roa tamin’ilay renirano, ary nanaraka ny rano nidina nankany Mackenzie.”

“Tena sariaka ny olona, ary nanome voankazo sy nanasa anay hisakafo mihitsy. Nandeha lakana kely izahay ny zoma, mba ho any amin’ny sambo lehibe. Nandeha lakana kely indray izahay, rehefa tonga tao Soesdyke, ary niakatra an-tanety avy eo. Nisy rahalahy nitsena anay sy nitondra anay niampita ny Demerara, mba ho any an-tranony tany Géorgie. Nanao fivoriana niaraka tamin’ny fianakaviany izahay ny takariva.”

“Niampita an’i Demerara izahay rehetra ny ampitso, mba hitory tany Soesdyke sy tany amin’ireo toerana be olona tany akaikin’ny Seranam-piaramanidin’i Timehri. Nitory tany amin’ny toerana fakana fasika koa izahay, satria nisy nitondra kamiao mba hofenoina fasika hoentina any Georgetown tao. Nanao fivoriana hafa niaraka tamin’ilay fianakaviana tany Géorgie indray izahay ny asabotsy alina. Niampita renirano mba ho any Soesdyke izahay ny ampitso, mba hanompo ny maraina tontolo, ary hanao lahateny ny hariva, teo amin’ny lavarangan’ny paositra. Izay no namarana ilay herinandronay.” Nisy vokany ny asa mafy nataon’ireny mpiandraikitra ny faritra ireny sy ny vadiny, satria misy fiangonana mandroso tsara izao any Soesdyke. Manana Efitrano Fanjakana, vita tamin’ny 1997, ireo rahalahy any.

Mety ho tratran’ny sampona koa ny mpiandraikitra ny faritra. Nandeha môtô i Jerry sy Delma Murray, ary tonga teo amin’ny tatatra nisy tetezana hazo fisaka natambatambatra. Niandry i Delma, fa i Jerry kosa nandeha môtô teo ambonin’ilay tetezana. Tsy hay anefa izay nitranga fa nianjera avy eo ambony tetezana i Jerry sy ny môtô ary ny valizy rehetra, ary nanjavona tany anaty fotaka tany ambany lavitra tany. Nikiakiaka i Delma, ka nihazakazaka namonjy azy ireo ny mponina teo an-tanàna. Nisinda ilay tahotra, taoriana kely, fa nihomehy kosa ny rehetra, satria “nandady nivoaka ny rano ilay lehilahy fotsy hoditra, rakotry ny tsinkafonkafona, sady feno fotaka ny kirarony”, araka ny nosoratan’ny rahalahy iray.

Manaiky ny vaovao tsara ny Indianina Amerikanina

Nitory tany an-tsena tany Charity i Frederick McAlman, tamin’ny 1970 tany ho any, ka nametraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’i Monica Fitzallen, Indianina Amerikanina. (Jereo ny efajoro pejy 176.) Nentin’i Monica nody tany amin’ny tanin’ny Indianina Amerikanina nisy azy, ireo gazety. Narary be izy indray mandeha, ka novakiny ireo gazety, ary fantany fa io no fahamarinana. Tsy ela izy dia lasa mpitory ny vaovao tsara (izy irery no teo amin’ilay toerana), ary natao batisa tamin’ny 1974.

Hoy i Monica: “Nazoto nitory isan-trano aho, ary faly nilaza tamin’ny olona ny zavatra vaovao nianarako. Tsy maintsy nivoy lakana nanaraka renirano anefa aho. Nanomboka nitarika fivoriana aho, rehefa nihamaro ny olona liana. Namaky sy niara-nidinika an’ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izahay.”

Nitondra vokatra ve ny asa mafy nataon’i Monica? Eny, satria misy mpitory 13 izao miaraka aminy, anisan’izany ny vadiny, ny zanany lahy sy ny vadin’izy io, ary ny zafikeliny. Vao haingana izao izy ireo no tsy nandeha lakana nandritra ny 12 ora ho any Charity (fiangonana akaiky azy indrindra) intsony. Efa eo an-tanànany mantsy izy ireo no mivory, ary avo telo henin’ny isan’ny mpitory ny mpanatrika!

Nitombo koa ilay fiangonana any Charity. Mpitory 50 izao no ao, ary maro aminy no mandeha lakana eo amin’ny Reniranon’i Pomeroon mba hahatongavana any am-pivoriana. Mihoatra ny 60 ny salanisan’ny mpanatrika fivoriana, ary 301 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2004. Manana Efitrano Fanjakana vaovao koa ny Fiangonana Charity.

Fitomboana niavaka tany Baramita

Maro koa ny tompon-tany nanaiky ny vaovao tsara tany Baramita. Any avaratrandrefan’i Guyana no misy azy io, ary foko indianina atao hoe Karaiba no mipetraka any. Izy ireo no anisan’ny mponina voalohany nipetraka tatỳ Karaiba, ka nahatonga io anarana io. Karaiba koa ny fitenin’izy ireo.

Liana tamin’ny fahamarinana i Ruby Smith, teratany karaiba, tamin’izy 16 taona (taona 1975), rehefa nahazo trakta avy tamin’ny renibeny. (Jereo ny efajoro pejy 181.) Nandroso izy, ary natao batisa tamin’ny Fivoriambe “Finoana Mandresy” (taona 1978). Nifindra ho eto Georgetown ny fianakaviany, tsy ela taorian’izay, noho ny asa fivelomana. Nanambady an’i Eustace Smith i Ruby, rehefa tonga teto. Tsy nahay teny karaiba i Eustace, nefa samy nazoto hifindra ho any Baramita izy sy Ruby, mba hitory tamin’ny havan’i Ruby sy ny olon-kafa. Hoy i Ruby: “Hitan’i Jehovah ny tao am-ponay, ary namaly ny vavakay izy, ka afaka nifindra ho eto Baramita izahay, tamin’ny 1992.”

Hoy ihany i Ruby: “Nitory avy hatrany aho, raha vao tonga. Tao ambanin’ny tranokelinay no natao ny fivoriana, na dia 1,50 metatra ambonin’ny tany monja aza izy io. Be loatra anefa ny olona rehefa nandeha ny fotoana, ka tsy maintsy nanofa labasy izahay. Maro no nanjary nahafantatra ilay fivoriana, ka 300 ny mpanatrika tamin’ny farany! Nahay teny karaiba tsara aho, ka izaho no nandika am-bava Ny Tilikambo Fiambenana. Inona no fanamafisam-peo nampiasainay? Nampiasa mikrô FM tsotsotra izahay, ary nitondra radio ny mpanatrika maro, mba hakany an’ilay onjam-peo.”

“Tsapanay sy Eustace fa tena nila Efitrano Fanjakana izahay. Natombokay àry ilay asa, rehefa avy nodinihina izay ho lany, ary nanontaniana ny hevitry ny sasany. I Cecil Baird, anadahiko, no nanome ny ankamaroan’ny fitaovana nanorenana, fa ny olon-kafa kosa nanampy tamin’ny asa. Nanomboka ny Jona 1992 ilay asa, ary vita tamin’ny 1993, taloha kelin’ny Fahatsiarovana fotsiny. Gaga izahay, satria 800 no tonga nihaino ny lahateny nataon’i Gordon Daniels, mpiandraikitra mpitety faritany.”

“Lasa fiangonana ilay antoko-mpitory teto Baramita, nanomboka ny 1 Aprily 1996, ary notokanana tamin’ny 25 Mey ilay Efitrano Fanjakana. Efa nohalehibeazina izy io taorian’izay, ary mahazaka olona 500, ka azo anaovana fivoriamben’ny faritra sy manokana. Mpitory vitsy monja izahay tamin’ny voalohany, nefa efa ho 100 izahay ankehitriny, ary 300 ny salanisan’ny mpanatrika ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Nisy 1 416 kosa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana!”

Mariazy hafakely!

Maro tamin’ny olona nanao tokantranomaso any Baramita no nisora-panambadiana mba hanarahana ny fitsipiky ny Baiboly. Sahirana anefa ny sasany nikarakara taratasy toy ny fanamarinam-pahaterahana. Niezaka mafy anefa izy ireo, sady nampian’ireo rahalahy koa, mba hahita ny daty nahaterahany sy tsipiriany hafa, hahafahany hivady.

Indray mandeha, dia mpivady 79 no indray nosoratana. Nanao ny lahatenim-panambadiana i Adin Sills, anisan’ny Komitin’ny Sampana. Telo andro taorian’io, dia nisy olona 41 nilaza ny faniriany ho tonga mpitory tsy vita batisa, ka mpanambady vao ny ankamaroany.

Maro ny mponin’i Baramita liana tamin’ny Tenin’Andriamanitra, ka nihatsara be ny fiaraha-monina. Nilaza toy izao ny anti-panahy iray, nandritra ny fitokanana Efitrano Fanjakana: “Milamina sy miadana izao eto Baramita. Tsy mahagaga izany, satria 90 isan-jato maherin’ny mponina no manatrika fivoriana tsy tapaka.”

Nisy hain-tany lehibe tany amin’ny fivondronan’i Baramita, tamin’ny 1995. Nanao ahoana ny vahoakan’i Jehovah? Nampianatra tany i Gillian Persaud tamin’izany. Reny fa nisy fiaramanidina kely nidina tao amin’ny seranana tsy lavitra teo, ka nihazakazaka araka izay fara heriny izy mba hiresahana tamin’ny mpanamory, talohan’ny niaingany. Noreseny lahatra ilay mpanamory mba hitondra azy ho eto Georgetown, ka tonga tao amin’ny biraon’ny sampana izy mba hilaza ny fijalian’ireo rahalahy.

Hoy i James Thompson, anisan’ny Komitin’ny Sampana tamin’izany: “Navelan’ny Filan-kevi-pitantanana izahay mba hitatitra sakafo sy zavatra hafa ho any Baramita, tamin’ny alalan’ny fiaramanidina. Afaka nitondra mpitory 36 avy any koa izahay mba hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra teto Georgetown. Tamin’io ny maro taminy vao nanatrika izany.”

Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

Nanomboka tamin’ny 1987 ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (SFF), ka tany maro no nandray soa tamin’ny asan’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo nanatrika azy io. Tsy diso anjara koa i Guyana. Nisy rahalahy avy eto nanatrika an’io sekoly io tany Trinité, ka maro no afaka nanampy bebe kokoa tamin’ny asan’ilay Fanjakana. Mpisava lalana maharitra sy manokana, ary anti-panahin’ny fiangonana izao ny sasany. Miezaka mafy hikarakara ny ondrin’i Jehovah ireo niverina tany amin’ny fiangonany.

Maro tamin’ireo nahazo diplaoma tamin’ny SFF no nahazo andraikitra fanampiny. Notendrena ho mpisava lalana manokana tany amin’ny fiangonana nila anti-panahy maika, ohatra, i Floyd sy Lawani Daniels, mpirahalahy iray tam-po. Nomena tombontsoa ho mpiandraikitra ny faritra i David Persaud. Notendrena ho anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Guyana i Edsel Hazel. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray, momba ireo nanatrika an’ilay sekoly: “Hitako ny fandrosoan’izy ireo, indrindra fa taorian’ny nanatrehany ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.”

Manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa

Nisy mponina 30 000 teo ho eo ny morontsiraky ny Ranomasina Atlantika, any andrefan’ny Reniranon’i Essequibo, tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, nefa 30 monja ny mpitory. Nanendry mpisava lalana manokana tsindraindray àry ny sampana, mba hitory tamin’ny ampahan’io faritany io, tao anatin’ny iray volana isaky ny nandeha. Hoy ny rahalahy niandraikitra antoko-mpitory iray: “Vitan’ireo rahalahy ny faritaniny, nahapetraka boky 1 835 izy ireo, ary nanao fiverenana mitsidika maro sy nanomboka fampianarana Baiboly be dia be.”

Hoy koa ny rahalahy iray: “Nandeha lakana kely nandritra ny adiny roa izahay, ary nahavita 27 kilaometatra. Tsy maintsy notaritina na natosika ny lakana rehefa tao anaty fotaka hatreny amin’ny lohalika. Novalian-tsoa anefa ilay ezaka, rehefa nisy olona nandray tsara. Anisan’izany ny mpampianatra mozika, izay nampiasa ny fihiranantsika mba hampianarana. ‘Tena tiako ny fandrindrana an’ilay mozika’, hoy izy. Nitendry hira roa ho anay izy, ary nandray boky enina.”

Nisy rahalahy sy anabavy nandeha tany amin’ny toerana nila mpitory maro kokoa. Anisan’izany i Sherlock sy Juliet Pahalan. Hoy i Sherlock: “Nantsoina izahay mivady tamin’ny 1970, mba hanampy ny Fiangonana Eccles, 13 kilaometatra any atsimon’i Georgetown, eo amin’ny Reniranon’i Demerara. Nanana olana ilay fiangonana, ary nisy olona tsy maintsy noroahina. Mpitory 12 sy ny zanany tsy vita batisa sisa no teo anivon’ilay fiangonana. Izaho irery no anti-panahy tamin’ny voalohany. Nikarakara antoko-mpitory kely tany Mocha, tanàna mitokana, koa ilay fiangonanay. Nitarika Fianarana Boky tany Mocha aho ny alatsinainy takariva, ary nitarika iray hafa teto Eccles taorian’izay.”

“Tsy maintsy nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana koa aho. Tsy betsaka ny gazety nanananay, ka matetika no novakina aloha ny fehintsoratra tsirairay vao napetraka ny fanontaniana, fa tsy araka ny fanao tamin’izany. Nitondra labozia tany am-pivoriana izahay, satria tapaka matetika ny jiro. Tsy maintsy niady tamin’ny moka be dia be izahay, rehefa nanorana ny andro. Nandeha an-tongotra na bisikileta ny ankamaroan’ny rahalahy tamin’izany, rehefa hivory sy hitory. Nandeha tany Eccles tamin’izany fomba izany koa ny mpitory tany Mocha. Nampidirako olona maro araka izay azo natao tao anatin’ilay fiara keliko, mba hoentina hody tany Mocha.”

Nody ventiny ve ny rano nantsakaina? Hoy ny Rahalahy Pahalan: “Nampianatra Baiboly olona maro izahay mivady tany Eccles, ka maro aminy izao no mbola ao amin’ny fahamarinana, miaraka amin’ny fianakaviany. Anti-panahy ny sasany amin’ireo lehilahy. Tsy misy azo ampitahaina amin’izany fitahiana izany!”

“Paradisan’ny mpisava lalana”!

Rahalahy sy anabavy 50 teo ho eo (mpisava lalana ny ankamaroany), tao anatin’ireo taona faramparany, no tonga teto amin’ny Tanin’ny Rano, avy any Etazonia, Frantsa, Grande-Bretagne, Irlandy, ary Kanada. Tonga izy ireo mba hanampy amin’ilay antso hoe: “Avia! Ary aoka ... izay maniry ... hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17) Nisy afaka nijanona nandritra ny volana na taona vitsivitsy. Nody vetivety ny maro taminy, rehefa nihalany vola, ka niasa kely indray, ary niverina teto avy eo. Raisin’ny ankamaroany ho fitahiana ny fanompoana teto Guyana. Tena tian’izy ireo indrindra ny fahafahana niresaka momba an’Andriamanitra tamin’ny olona, izay manaja ny Baiboly amin’ny ankapobeny. Na ireo tsy Kristianina aza dia tia miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandroso sakafo ho an’ireo rahalahy mihitsy aza indraindray ny olona itoriany. “Tsy manitatra àry isika milaza hoe paradisan’ny mpisava lalana i Guyana”, hoy i Ricardo Hinds, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana ankehitriny.

Mahatsiaro ny fiainany tany ambanivohitr’i Guyana i Arlene Hazel, manompo ato amin’ny sampana miaraka amin’i Edsel vadiny. Hoy izy: “Nifandray tamin’ny sampana izahay tamin’ny 1997, ary voatendry hanompo tany Lethem, any anaty ala be manamorona an’i Brezila. Nanompo tany izahay, niaraka tamin’i Robert sy Joanna Welch (Kanadianina namanay), sy Sarah Dionne (Amerikanina), izay tonga tany Lethem, volana vitsivitsy talohanay. Nisy anadahy veterinera atao hoe Richard Achee, nipetraka tany tamin’izay. Nomen’ny sampana anay ny anaran’olona 20 teo ho eo efa nianatra taloha, nefa tsy tena liana ny ankamaroany. Te ho tonga mpitory tsy vita batisa anefa ny roa taminy.”

“Natao teo ambany manga ny fivorianay voalohany, ary 12 ny mpanatrika, anisan’izany izahay mpisava lalana 6. Nisy 60 kosa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana voalohany nataonay, volana vitsivitsy taorian’io. Telo sisa izahay no mpisava lalana, nefa 40 ny fampianarana Baiboly! Nomen’ny mpiandraikitra ny faritra torohevitra izahay, rehefa nitsidika izy, hoe tokony hajanona ireo mpianatra tsy manatrika fivoriana. Tena nety izany, satria nandroso tsara ireo mpianatra nohazonina.”

Nanjary fiangonana nisy mpitory 14 i Lethem, efa-taona taoriana. Lasa 100 kosa ny mpanatrika fivoriambe manokana. Tsara lavitra noho izay mety ho fahoriana iaretan’ny mpanompon’i Jehovah, izany porofo mivaingan’ny fitahiany izany.

Trano nohofana sy “ambany trano”

Sarotra foana ny nahita toeram-pivavahana nety teto Guyana, hatramin’ny niandohan’ny asa. Nanofa efitra iray tao amin’ny Trano Somerset ny rahalahy vitsivitsy teto Georgetown, tamin’ny 1913, ary nampiasainy nandritra ny 45 taona izy io. Fiangonana roa monja no nanana Efitrano Fanjakana tamin’ny 1970, dia ny Fiangonana Charlestown, teto Georgetown sy ny Fiangonana Palmyra, tany Berbice. Nihoatra ny 1 000 anefa ny mpitory teto, telo taona talohan’io! Trano nohofana àry no nivorian’ny ankamaroan’ny fiangonana, nefa tsy tena nety izany.

Nitombo be, ohatra, ny Fiangonana Wismar, any amin’ny Reniranon’i Demerara, tamin’ireo taona 1950, ka tsy maintsy nitady efitrano lehibe izy ireo. Navela hampiasain’izy ireo ny trano antsoina hoe Tranon’ny Tanosy. Nanao ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izy ireo ny andavanandro, ary ny alahady hariva kosa ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Raharaha be anefa ny nandamina ny zavatra rehetra ho an’ireo fivoriana. Nandeha sambo kely aloha ireo rahalahy, niampita an’i Demerara, avy any Mackenzie ho any Wismar. Nisy rahalahy iray nitondra baoritra nisy ny gazety, rahalahy hafa nitondra baoritra nisy boky, ary rahalahy fahatelo nitondra ny taratasy samihafa sy ny boaty ho an’ny fanomezana. Tsy maintsy tafapetraka daholo ireo talohan’ny fivoriana. Tsy maintsy nentina nody daholo indray ireo, rehefa nirava.

Natao tany ambany trano koa ny fivoriana. Misy tondra-drano matetika eto Guyana, ka asiana tongony hazo na béton na zavatra hafa ny trano, mba hipetrahany. Malalaka ny ao ambany trano, ka azo anaovan-javatra, toy ny fivorian’ny fiangonana. Mihevitra anefa ny olona eto Guyana fa tsy tahin’Andriamanitra ny fiangonana, matoa tsy manam-bola anaovana trano fivavahana.

Voahelingelina koa indraindray ny fivoriana atao eo ambany trano, ka mihena ny fahamendrehany. Notairin’ny alika ny akoho iray, indray mandeha, ka nanidina teny amin’ny ankizivavy kely enin-taona. Nikiakiaka be izy, ka taitra ny rehetra. Marina fa lasa fihomehezana ilay izy, taorian’ny fivoriana, nefa hita tamin’izany fa nila toeram-pivavahana tsara kokoa izy ireo. Tsy nazoto hanatrika fivoriana natao tao ambany trano koa ny olona liana.

Fanorenana Efitrano Fanjakana

“Efa 32 taona no niarahako tamin’ny Fiangonana Charity”, hoy i Frederick McAlman, “ary nanofa toerana dimy tao ambany trano izahay. Tsy maintsy nitandrina izahay sao nidona tamin’ny hazo natao valin-drihana ny lohanay. Tsy hitan’ny anabavy iray tsara ny haavon’ilay hazo, ka nidona teo ny lohan’ilay zaza notrotroiny. Nolazainy tamin-drainy, izay tsy mpino, izany tatỳ aoriana. Nihevitra ny ray aman-drenin’ilay anabavy fa tokony hanana toeram-pivavahana ilay fiangonana. Nilaza hanome tany ho an’ilay fiangonana ilay reniny, ary ilay rainy kosa nilaza hanome vola hanorenana Efitrano Fanjakana. Nataon’izy ireo tokoa izany. Mbola foiben’ny fivavahana marina eo amin’ilay toerana ihany io Efitrano Fanjakana io, ary efa nohavaozina imbetsaka. Efitrano Fivoriambe ho an’ny faritra koa izy io.”

Volana maro vao vita ny Efitrano Fanjakana taloha, toy ilay tany Eccles. Hoy i Sherlock Pahalan, anti-panahy tany Eccles tamin’izany: “Natao tany amin’ny trano fianarana ny fivorianay. Fantatray fa ho be kokoa ny fitomboana, raha nanana Efitrano Fanjakana izahay. Sady vitsy anefa ny mpitory no sahirana ara-pivelomana. Nanapa-kevitra ny hanorina efitrano anefa izy ireo. Nitady tany aho, nefa tsy nahita.”

“Nampindrana lasitra roa ho anay kosa ireo rahalahy tany Georgetown, ary nampianatra anay ny fomba fanaovana biriky simenitra. Ora maromaro vao nahavita 12 izahay, nefa nanjary nahay, indrindra fa ny anabavy, rehefa nihazatra. Sarotra koa ny nahita simenitra, satria voafetra ny azo novidina. Tsy maintsy nanao fangatahana aho mba hahazoana simenitra, ary tonga maraina be teny amin’ny seranan-tsambo avy eo, ka nilahatra mba haka ny anjaranay. Nitady fiara nalalaka handeha ho eto Eccles indray aho avy eo. Nanampy anay foana i Jehovah, nefa mbola tsy nahita tany izahay.”

Hoy ihany i Sherlock: “Nanao vakansy tany Kanada izahay sy Juliet tamin’ny 1972, ary nitsidika havana tsy Vavolombelona. Nolazain’ilay havanay tamiko fa nanana tany roa teto Eccles izy. Tsy voakarakaran’ireo havana niandraikitra azy ireo anefa ireo tany, ka nangataka fanampiana tamiko izy. Nolazaiko hoe te hanampy azy aho, sady noteneniko koa hoe mitady tany eto Eccles mihitsy izahay mba hanorenana Efitrano Fanjakana. Tonga dia nasainy nifidy iray tamin’izy ireo aho.”

“Hitanay koa ny fitahian’i Jehovah, nandritra ilay fanorenana. Vitsy ny fitaovam-panorenana ankoatra ny simenitra, nefa nosoloanay zavatra hafa izany, na namoron-kevitra izahay, ka vitanay foana ilay asa. Vitsy koa ny rahalahy tena nahay trano, ka tsy maintsy nalamina tsara ny asa. Nanao dia an-jatony kilaometatra tokoa ilay fiara keliko, mba hitaterana an’ireo rahalahy. Vita ihany ilay Efitrano Fanjakana nony farany. I Karl Klein, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy aza no nanao ny lahateny fitokanana azy io. Fifaliana tsy nampoizina tokoa izany!”

Efitrano Fanjakana vita haingana

Maherin’ny antsasaky ny fiangonana teto Guyana no nivory tamin’ny trano nohofana (anisan’izany ny ambany trano), hatramin’ny 1995. Nandamina komitim-panorenana àry ny sampana, mba hikarakara izany. Tamin’ny Oktobra 1995 no nahavita Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany ireo rahalahy tany Mahaicony, 50 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Georgetown, eo amin’ny Reniranon’i Mahaicony. Nilaza toy izao ny mpiara-monina iray, rehefa nandre fa hanorina Efitrano Fanjakana ao anatin’ny faran’ny herinandro efatra ny Vavolombelona: “Raha tranon’akoho no haorinareo, dia manaiky aho, fa raha trano béton kosa, dia nofinofy izany.” Mazava ho azy fa niova hevitra haingana io lehilahy io.

Somary henjana ihany ny fifandraisan’ny foko samihafa eto Guyana. Hita tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana anefa fa tena Kristianina miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mahay miara-miasa na dia tsy mitovy foko sy fiaviana aza. Nilaza toy izao tamin’ny mpiandraikitra ny faritra tokoa ny vehivavy zokiolona iray nijery ny fanorenana tany Mahaicony: “Foko enina no hitako niara-niasa teo!”

Fanorenana Betela

Tao an-tranon-dry Phillips ny biraon’ny sampana voalohany teto Guyana, tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1946. Nisy 91 ny mpitory tamin’ny 1946. Nitombo ho 685 izany tamin’ny 1959, ary nandroso hatrany ny asa. Nividy trano teo amin’ny 50, Lalana Brickdam, eto Georgetown àry ireo rahalahy, tamin’ny Jona 1960. Namboarina kely ilay trano, ary natao biraon’ny sampana sy tranon’ny misionera. Tsy antonona intsony anefa io trano io tamin’ny 1986. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny hanorenana trano vaovao teo amin’io toerana io. Vitan’ny mpanompo iraisam-pirenena sy ny rahalahy teto an-toerana izy io, tamin’ny 1987.

Tena nanampy tamin’ny fanorenana ny Betela ireo anabavy, tsy misy hafa amin’ireo zanakavavin’i Saloma, izay nanampy ny rainy hanorina indray ny ampahan’ny rindrin’i Jerosalema. (Neh. 3:12) Anabavy 120, nozaraina ho ekipa folo, ohatra, no nanao biriky simenitra 12 000 nilaina tamin’ilay asa. Lasitra 16 no nampiasain’izy ireo, ary 55 andro no nanaovany azy rehetra. Tsy asa mora izany! Tsy maintsy natao antonony ny fatran’ilay simenitra, izany hoe tsy kely rano loatra, mba tsy ho mora maina, nefa tsy be rano loatra, mba tsy ho mora potika rehefa hesorina ao anaty lasitra.

Niambina tamin’ny alina ireo rahalahy. Matetika izy ireo no nivantana tany amin’ny toeram-panorenana, rehefa nirava avy niasa. Niara-niasa tamin’ny mpanompo iraisam-pirenena kosa ny sasany, ka nianatra asa tsara. Anisan’ireny rahalahy tanora ireny i Harrinarine (Indaal) Persaud, izay nilaza hoe: “Mpametaka hazo eo ambany varavarankely no asako, izay mbola tsy nataoko hatrizay niainako. Niezaka mafy aho mandra-pahavitako an’ilay izy tsara. Nijery izany ilay mpiandraikitra, ary faly niteny hoe: “Ny Betela manontolo mihitsy izao no hataonao.” Io rahalahy io indray izao no mampita ny fahaizany amin’ireo rahalahy any amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana.

Tsy maintsy nanafatra entana avy any ivelany ireo rahalahy, ka nila fiaraha-miasa avy tamin’ny mpitondra. Maro àry ny manam-pahefana tonga teo amin’ilay fanorenana, anisan’izany ny Filoha Forbes Burnham sy ny mpiara-miasa taminy. Niaiky ny rehetra, toy ny mpandrafitra iray teo an-toerana, fa tsara ilay asa. “Tena kalitao ambony mihitsy ny asanareo”, hoy izy. Nanao ny lahateny fitokanana, tamin’ny 14 Janoary 1988, i Don Adams, solontenan’ny foibe sy mpiandraikitra mpitety sampana.

Nisy fanorenana indray natomboka ny 12 Febroary 2001, fa teo amin’ny tany hafa fotsiny. Niasa tamin’io koa ny mpanompo iraisam-pirenena sy ny rahalahy teto an-toerana. Notokanana tamin’ny 15 Febroary 2003 io Betela vaovao io. Nanao ny lahateny fitokanana i Richard Kelsey, avy any amin’ny sampan’i Alemaina, ary 332 ny mpanatrika.

Maro ny misionera taloha no niverina teto Guyana tamin’io, taorian’ny am-polony taona! Olona 4 752 (avo roa henin’ny mpitory eto Guyana), avy any amin’ny tany 12, no nanatrika fivoriana manokana ny alahady.

Fivoriambe nitaky hafetsena

Nanofa trano ireo rahalahy matetika mba hanaovana fivoriamben’ny faritra sy manokana. Manorina toeram-pivoriana mihitsy izy ireo, any ambanivohitra. Hoy i Thomas Markevich, nanompo teto Guyana tamin’ny 1952-1956: “Natao tany amin’ny 60 kilaometatra miala an’i Georgetown, any amin’ny Reniranon’i Demerara, ny fivoriambenay. Vavolombelona 200 teo ho eo avy any an-drenivohitra no te hanatrika, mba hanohana an’ireo rahalahy tany an-toerana. Nanapa-kevitra ny hanorina Efitrano Fivoriambe tsy maharitra àry izahay, ka zavatra teo an-toerana ihany no nampiasainay: volotsangana no hatao gorodona sy seza, ary ravin’akondro no hatao tafo.”

“Nangoninay ireo fitaovana, nataonay tao anaty kalesy kely mandeha amin’ny lalamby, ary nentinay tamin’ny fidinana iray. Tsy voatazonay anefa ilay kalesy, rehefa nihodina ny lalana, ka niala tamin’ny lalamby, ary very tany anaty rano daholo ilay entana. Nahasoa anay anefa ilay izy avy eo, satria nentin’ny rano ho eo amin’ilay toeram-panorenana mihitsy ireo entanay! Faly ireo rahalahy, rehefa nanomboka ilay fivoriambe, satria an-jatony ny mponina niaraka taminy nandritra ireo telo andro.”

Hoy koa i Thomas: “Nitory tamin’ny faritany tsy nisy tompony teny akaiky izahay, taorian’ilay fivoriambe. Nanao lahateny tany amin’ny tanàna iray izahay, ka tonga daholo ny mponina rehetra, anisan’izany ny gidro fiompy iray. Nihaino teo aloha izy, nefa te hifindra toerana avy eo. Nifindrafindra teo àry izy, ka teo an-tsoroko no nijanona. Nitazatazana vetivety teo izy, ary nitsambikina niverina teny amin’ny tompony, hatramin’ny faran’ny lahateny. Soa ihany!”

Fivoriamben’ny vondrom-paritra

Matetika ny fivoriambe lehibe tamin’ny fiandohan’ireo taona 1900 no natao niaraka tamin’ny fitsidihan’ny solontena manokan’ny foibe, toy ny Rahalahy Coward sy Young. Tonga teto Guyana mba hanatrika ny Fivoriambe Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao i Nathan Knorr sy Milton Henschel, tamin’ny 1954, ary 2 737 no nanatrika azy io.

Nisy 7 100 mahery kosa no nanatrika fivoriambe roa teto Guyana, tamin’ny 1999. Natao teto Georgetown ny iray, ary tany Berbice ny faharoa. Tena nanahirana an’ireo rahalahy ny fandaminana ilay fivoriambe teto Georgetown, satria nisy fanovana be tamin’ny ora farany. Nilaza toy izao ny sampana: “Nisy mpilalao sarimihetsika nalaza niaraka tamin’ny mpandihiny tonga avy any Inde. Nilaza ny Komitin’ny Valam-pirenena fa tsy azo natao andro hafa ilay fampisehoana, na dia izahay aza no namandrika toerana voalohany.”

“Nahita toerana hafa indray izahay, dia ny toeram-pilalaovana cricket, ary nampahafantarina izany ireo fiangonana. Valo andro sisa dia hatao ilay fivoriambe! Tsy tapitra teo anefa ny olana. Tena manaja ny lalao cricket ny olona atỳ Karaiba, ka toy ny masina amin’izy ireo mihitsy ilay toeram-pilalaovana. Sarotra tamin’ny mpitantana an’ilay kianja àry ny hamela anay hanitsaka an’ilay bozaka. Ahoana anefa no hanaovana ny fampisehoana tantara? Hatao aiza ny lampihazo?”

“Nataonay ihany ny fandaminana, ary nitoky tamin’i Jehovah izahay. Nanampy tokoa izy! Nomen-dalana hampiasa ny toerana misy bozaka izahay, raha nataonay ambonimbony ny lampihazo sy ny lalana mankeo aminy. Niasa mafy nandritra ny alina ny rehetra mba hamitana ilay asa. Vao mainka nampijaly koa ny toetrandro, satria saika avy foana ny orana. Azo lazaina hoe nanomboka ara-potoana ihany anefa ilay fandaharana.”

“Nandeha tsara ilay fivoriambe, ary tsy avy ny orana hatramin’ny alahady. Avy be ny orana, rehefa nifoha izahay tamin’io. Feno rano ilay kianja filalaovana, ary tonga teo amin’ny dimy santimetatra ambanin’ilay lampihazo sy ny lalana mankeo aminy. Nitsahatra taloha kelin’ny nanombohan’ny fandaharana ny orana. Soa ihany fa tsy natao tamin’ny tany ny kabla nitondra herinaratra, fa napetaka tao ambanin’ireo hazo. Nivadika ho fitahiana àry ny nanorenana ny lampihazo sy ny lalana nankeo ho ambonimbony kokoa!”

Nipoaka be ny andro, rehefa nanomboka ny fampisehoana tantara, ka faly ireo mpanatrika 6 088. Nisy 1 038 kosa ny mpanatrika tany Berbice, tapa-bolana taorian’io. Nisy 7 126 ny fitambaran’ireo mpanatrika, ka io no be indrindra teto Guyana hatramin’io. Efa ho 10 000 kosa ny mpanatrika vao haingana.

Fandrosoana amin’ny hoavy

Hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana ny tempolin’i Jehovah naorina indray sy nomem-boninahitra. Nisy renirano nivoaka avy amin’izy io, ary nihalehibe sy nihalalina teny am-pandehanana, mandra-pahatongany ho “ony tondraka” sy namelona ny Ranomasina Maty mihitsy aza.—Ezek. 47:1-12.

Hitan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fahatanterahan’io faminaniana io, teo amin’ny fandrosoan’ny fivavahana marina nanomboka tamin’ny 1919. Manala ny hetaheta ara-panahin’ny olona an-tapitrisany eran-tany izao ny renirano manome aina, dia ny Baiboly, boky fianarana Baiboly, fivoriana ary fivoriambe.

Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Guyana ho tombontsoa ny mandray anjara amin’ny fahatanterahan’io faminaniana io. Hampiasain’izy ireo foana koa ny renirano ara-bakiteny mba hitaterana sakafo ara-panahy mahavelona, ho an’izay ‘manana toe-po tsara hahazoana fiainana mandrakizay’, na aiza na aiza misy azy eto amin’ny Tanin’ny Rano.—Asa. 13:48.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Novana ho Guyana ny anaran’ilay tany, rehefa nahazo fahaleovan-tena i Guyane britannique. Ny hoe Guyana no ampiasaina ato, raha tsy hoe mitaky zavatra hafa angaha ilay tantara.

[Efajoro, pejy 140]

Indray Mitopy Maso An’i Guyana

Ilay tany: Tany nentin’ny renirano no mameno ny morontsiraka, izay any ambanin’ny haavon’ny ranomasina matetika, ary arovan’ny fefiloha 230 kilaometatra. Efa ho ny 80 isan-jaton’ilay tany no rakotry ny ala, anisan’izany ny afovoan-tany, izay iavian’ny ankamaroan’ireo reniranon’i Guyana.

Mponina: Indianina tatsinanana ny antsasak’izy ireo, maherin’ny 40 isan-jato no taranaka afrikanina mainty hoditra na metisy, ary 5 isan-jato kosa no Indianina Amerikanina. Milaza ho Kristianina ny 40 isan-jato, Hindoa ny 34 isan-jato, ary Silamo ny 9 isan-jato.

Fiteny: Ny teny anglisy no fiteny ofisialy, nefa ampiasaina eran’i Guyana koa ny teny kreôla.

Fivelomana: Mpamboly sy mpiompy ny 30 isan-jaton’ny mpiasa. Anisan’ny fivelomana koa ny fanjonoana, fitrandrahana ala sy harena an-kibon’ny tany.

Sakafo: Ambolena betsaka eto ny vary, kakaô, voasary, voaniho, kafe, katsaka, mangahazo, fary, ary voankazo sy legioma hafa maniry amin’ny tany mafana. Anisan’ny ompiana mba hahazoana sakafo ny omby, kisoa, akoho, ary ondry. Ny trondro sy ny patsabe no hazan-dranomasina be mpihinana indrindra.

Toetrandro: Mafana, ary tsy misy fizaran-taona miavaka loatra. Mahazo orana 150-200 santimetatra isan-taona ny morontsiraka. Akaikin’ny ekoatera i Guyana, nefa tsy dia mafana loatra, satria misy alizay foana mitsoka avy any amin’ny Oseana Atlantika.

[Efajoro/Sary, pejy 143-145]

Tsy Nisy Afaka “Nanidy” ny Vavany

Malcolm Hall

Teraka: 1890

Batisa: 1915

Tantarany: Avy ao amin’ny Nosy Leguan, ary anisan’ireo voalohany nitory ny vaovao tsara tany, sady nikarakara an’ilay antoko-mpitory niforona tany.

Notantarain’i Yvonne Hall, zafikelin’ny rahalahiny.

Nilaza toy izao tamin’i Dadabe ny mpiandraikitra ny fifidianana, indray mandeha: “Tsy mandeha mifidy, hono, ianao? Hogadrainay ianao, raha izany, dia halainay ny Baibolinao.” Nijery azy tsara i Dadabe, ary namaly hoe: “Ary hataonao ahoana ny vavako? Afaka manidy ny vavako ve ianao mba tsy hitoriako intsony ny fahamarinana izay nafenin’ny mpitondra fivavahanareo taminareo hatramin’izay?” Tsy nahita havaly ilay lehilahy, ka ningonongonona fotsiny hoe: “Ho hitanao tsara izany!”

Natao batisa tamin’ny 1915 i Dadabe, ary anisan’ireo mpitory ilay Fanjakana voalohany teto Guyana. “Tena mpiady ho an’ny fahamarinana” izy, hoy ny anadahy iray. Tamin’i Dadabe niasa tany Georgetown no nahitany ny fahamarinana. Lahateny iray monja tao amin’ny Trano Somerset no reny, dia efa nino izy fa izany no fahamarinana. Nody izy avy eo, ary nojereny tao amin’ny Baiboliny ny andinin-teny rehetra tamin’ilay lahateny.

Nody tany Leguan izy taorian’izay, ary nanomboka nitory. Anisan’ireo voalohany nanaiky ny fahamarinana ny anabaviny roa sy ny zana-drahalahiny sasany. Izy ireo no voalohany tamin’ilay antoko-mpitory nivory tao an-tranon’i Dadabe.

Nifehy ny mponin’ireo nosy ny mpitondra fivavahana tamin’izany, ka tena sarotra ny nahita olona nanaiky ny vaovao tsara. Nilaza matetika ny mpitondra fivavahana fa “lasa adalan’ny Baiboly” i Dadabe. Tsy nampihena ny zotom-pony anefa izany. Nataony teo anoloan’ny vavahadim-piangonana mihitsy, ohatra, ny grafofaonina, isaky ny alahady maraina, ary nandefa lahateny ara-baiboly teo izy. Matetika ny olona no nitsangana teo an-dalana teo mba hihaino an’izany.

Nisy nandray tsara ny fahamarinana, tatỳ aoriana. Niharihary izany ny alin’ny Fahatsiarovana, satria feno olona ny ambony rihana manontolo tamin’ny tranon’i Dadabe. Izy no mpitari-draharaha sy mpandahateny, ary hany nihinana sy nisotro tamin’ny mofo sy divay. Nanao ny asan’ny mpisava lalana i Leroy Denbow, iray tamin’ireo nampianariny Baiboly, ary efa mpiandraikitra ny faritra mihitsy tatỳ aoriana.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny nosy Leguan sy Wakenaam, nosy teo akaikiny, i Dadabe, rehefa nisotro ronono (mpiasa tamin’ny sambo teo amin’ny Reniranon’i Essequibo izy taloha). Nifoha tamin’ny 4.30 maraina izy, ary nitery ronono sy nanome hanin-kisoa. Nisasa izy tamin’ny 7.30 maraina, namaky ny andinin-teny ho an’ny andro sy andininy hafa tao amin’ny Baiboly, nisakafo, ary niomana hanompo. Mbola tsaroako izy nipaompy ny pnen’ny bisikiletany, talohan’ny niaingany. Nanao dia 20 kilaometatra izy, fara fahakeliny, isaky ny nandeha.

Nodimandry tamin’ny 2 Novambra 1985 i Dadabe, rehefa avy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 70 taona teo ho eo teto an-tany. Tsy nisy afaka “nanidy” ny vavany nandritra izany taona rehetra izany. Misy fiangonana izao any amin’ny Nosy Leguan, sy any amin’ny Nosy Wakenaam.

[Efajoro/Sary, pejy 155-158]

Nanova ny Fiainako ny Valin’ireo Fanontaniana Napetrako Hatramin’ny Fahazazako

Albert Small

Teraka: 1921

Batisa: 1949

Tantarany: Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1953. Niara-nanatrika ny Sekolin’i Gileada tamin’i Sheila vadiny, tamin’ny 1958, ary voatendry ho eto Guyana ihany.

Nolazaina tamiko foana tamin’izaho mbola kely hoe “Andriamanitra no nanao anao.” Nilaza tamiko anefa ny reniko fa izaho no naditra indrindra tamin’ireo zanany efatra. Noheveriko àry fa nanao ankizy hendry telo, sy maditra iray Andriamanitra.

Nanontaniako ny mpampianatra sekoly alahady, tamin’izaho folo taona teo ho eo hoe: “Iza no namorona an’Andriamanitra?” Tsy namaly ahy izy. Toy ny olon-drehetra tamin’izany anefa aho, ka mba nandeha nivavaka koa rehefa lehibebe. Ny Presbyterianina no fivavahana narahiko. Tsy voavaly anefa ny maro tamin’ireo fanontaniako. Izao, ohatra, no anisan’ny tonon-kira nohirainay: “Tao an-dapany ilay mpanan-karena, ary teo am-bavahady ilay mahantra. Nataon’Andriamanitra ambony sy ambany izy ireo; izy no nametraka azy tamin’ny toerany.” Nanontany tena aho hoe: ‘Tena “nametraka azy tamin’ny toerany” tokoa ve Andriamanitra?’ Nanontaniako ilay mpitondra fivavahana indray mandeha hoe: “Raha noforonin’Andriamanitra i Adama sy Eva, dia avy taiza no niavian’ny firazanana samihafa?” Raha tsorina ny valin-teniny, dia hoe angano no tantarain’ny Genesisy.

Nampirisihina mba hivavaka ho an’ny miaramila britanika indray izahay, nandritra ny Ady Lehibe II. Io no nahatonga ahy hino fa mifanohitra amin’izay novakiko tao amin’ny Baiboly ny zavatra nampianarin’ny fivavahako. ‘Ho aiza anefa aho?’, hoy aho anakampo. Tsy niala tao amin’ilay fivavahako àry aho. Nanambady an’i Sheila aho, tamin’izaho 24 taona.

Vao avy tany am-piangonana aho, indray mandeha, no nitory tao aminay ny Vavolombelon’i Jehovah. Nantsoinay hoe fiangonana tsy misy afobe matetika ny Vavolombelona, ary tsy nety niresaka tamin’izy ireo aho. Tany an-tranon’olona izy ireo no nivavaka, ary tsy nanao akanjo manokana ny mpitondra fivavahany. Noheveriko koa fa nanampy ahy Andriamanitra, vokatry ny zavatra sasany niainako, anisan’izany ny nahazoako vady tsara.

Nanampina ny pnen’ny bisikiletako aho, rehefa nanatona ahy ilay Vavolombelona antsoina hoe Nesib Robinson. “Vaky ity pne ity”, hoy aho. “Ampio aho hanamboatra an’ity, raha Kristianina ianao.” Nirintona nankao an-trano aho taorian’izay. Herinandro taorian’io indray, dia efa teo an-tohatra i Nesib, rehefa nivoaka ny varavarana handeha hiangona aho, sady efa teny an-tanako ny Baiboliko. “Tsy mahaliana ahy ny fivavahanareo”, hoy aho. “Miresaha amin’ny vadiko, fa ao an-trano ao izy.” Dia lasa aho.

Nanenenako indray ny niteny an’izany, satria tsy nihaino an’i pasitera aho, tany am-piangonana, fa nieritreritra hoe: ‘Tsy hahavita an’ilay sakafo manokana fihinanay isan’alahady ny vadiko, raha miresaka ao izy sy Atoa Robinson.’ Efa vonona anefa ilay sakafo, rehefa tonga aho. Nanontany an’i Sheila ihany aho hoe: “Niresaka tamin’ilay Robinson iny ihany angaha ianao?” “Eny”, hoy izy. “Nipetraka teo izy, rehefa nitory, fa izaho sady nahandro sakafo ihany.”

Nanaiky hianatra Baiboly i Sheila, tsy ela taorian’izay. Niteraka ny zanakay voalohany koa izy, nefa tsy azo izy io. Nanontany an’Atoa Robinson aho hoe nahoana no mitranga izany. Namaly izy hoe tsy Andriamanitra no diso, fa vokatry ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva sy ny tsy fahalavorariana nolovantsika tamin’izy ireo izany. Nahafa-po ahy izany valin-teny izany.

Nitsidika ahy matetika i Nesib, rehefa niasa tao amin’ny trano fandrafetako aho. Nihodinkodina tamin’ny asako ny resakay, nefa nahatafiditra hevitra kely avy tao amin’ny Baiboly foana izy rehefa handeha. Nihakely ny resakay momba ny fanaka, tatỳ aoriana, fa ny Tenin’Andriamanitra kosa no voaresakay betsaka. Tapa-kevitra ny hametraka ny iray na roa tamin’ireo fanontaniana nanitikitika ahy hatramin’izay niainako aho, satria noheveriko fa tsy ho hainy koa ny hamaly azy. Na ny “tena” pasitera aza moa tsy nahay ny valin’izy ireny.

Nohamafisiko hoe tsy maintsy avy ao amin’ny Baiboly no hamalian’i Nesib an’ireo fanontaniana, ka napetrako taminy aloha ny hoe: “Iza no namorona an’Andriamanitra?” Novakin’i Nesib ny Salamo 90:2, manao hoe: “Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” Nijery ahy izy, sady nanontany hoe: “Hitanao ve izay lazainy eo? Tsy nisy namorona an’Andriamanitra, fa efa nisy foana izy.” Nahagaga ahy izany valin-teny nazava sy lojika izany. Nanokatra ny saiko izany, ka napetrako daholo ireo fanontaniana nanitikitika ahy hatramin’ny taona maro. Namaly avy tao amin’ny Soratra Masina i Nesib, ka mbola tsy faly toy izany aho nahafantatra izany, indrindra fa ny mahakasika ny fikasan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa.

Nisy heriny lehibe tamiko ny nandehanako voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nahoana? Satria tena gaga aho nahita olona nandray anjara tamin’ny fivoriana. Tsy mba nanao toy izany mihitsy mantsy ny tany am-piangonana. Tsy teo an-toerana ny vadiko tamin’io, ary mbola tsy nanatrika fivoriana izy. Notantaraiko taminy ilay izy, ka hoy izy hoe: “Ndao hiaraka ho any isika.” Mbola mandeha mivory foana izahay izao, 55 taona atỳ aoriana!

Natao batisa tao amin’ny Oseana Atlantika izahay sy Sheila, tamin’ny 1949. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1953. Nanaraka ahy i Sheila, roa taona taorian’io, ka 50 taona izao no efa nanompoanay manontolo andro. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-31 tamin’ny Sekolin’i Gileada izahay, tamin’ny 1958, ary notendrena ho eto Guyana ihany. Nanao asa fitetezam-paritany nandritra ny 23 taona izahay, ary avy eo dia notendrena ho mpisava lalana manokana, hatramin’izao. Misaotra an’i Jehovah tokoa aho noho ny nanomezany ny valin’ireo fanontaniana napetrako hatramin’ny fahazazako, sy noho ny namelany anay mivady hanompo azy.

[Efajoro/Sary, pejy 163-166]

“Inty Aho, Iraho Aho”

Joycelyn Ramalho (teraka Roach)

Teraka: 1927

Batisa: 1944

Tantarany: Maty vady, ary efa mpanompo manontolo andro hatramin’ny 54 taona, anisan’izany ny asa fitetezam-paritany niarahany tamin’ny vadiny.

Teraka tany Nevis, any amin’ny nosy Karaiba aho. Nitaiza irery ahy ny reniko, izay Metodista sy mpitsabo mpanampy. Nampianariny mba hino an’Andriamanitra aho. Nifindra tany amin’ny tanàna kely izahay, noho ny asany. Nandeha tany amin’ny Fiangonana Metodista izahay ny alahady taorian’io, ary naka toerana. Nisy nilaza taminay anefa, minitra vitsy taorian’io, fa tonga ny “tompon’ilay” toerana, ka tokony hifindra izahay. Namela anay hipetraka teo amin’ny “toerany” ny mpiangona iray tao, nefa nanapa-kevitra i Neny hoe tsy hiverina ao amin’io fiangonana io intsony izahay. Nifindra tany amin’ny Fiangonana Anglikanina izahay.

Nihaona tamin’ny Vavolombelona avy any Saint-Christophe i Neny, tamin’ny 1940 tany ho any, rehefa nitsidika namana. Nanome azy boky vitsivitsy ilay Vavolombelona. Tia mamaky boky i Neny, ka voavakiny haingana izy ireo, ary fantany fa io no fahamarinana. Nanambady izy, tsy ela taorian’izay, ary nifindra tany Trinité izahay. Voarara ny bokintsika tamin’io fotoana io, nefa afaka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay. Tsy niaraka tamin’ny Fiangonana Anglikanina intsony i Neny taorian’io, fa lasa nanompo an’i Jehovah, niaraka tamin’i James Hanley, raikeliko.

Nihaona tamin’i Rose Cuffie, rahavavy tanora, aho, tany Trinité. Tsy nampoiziko ho i Rose no ho lasa namako tamin’ny asa misionera, 11 taona taorian’io. Nitombo ihany anefa ny faniriako hanompo an’i Jehovah. Tsaroako ny fotoana voalohany nitoriako irery. Nivoaka ilay tompon-trano teo amin’ilay varavarana voalohany, ka tsy nahateny tampoka aho. Nijoro teo fotsiny aho, tsy fantatro hoe nandritra ny firy minitra, izay vao nahasokatra Baiboly sy namaky ny Daniela 2:44, ary niala teo avy hatrany!

Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1950, ary roa taona mahery kely taorian’io monja, dia faly aho nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-21 amin’ny sekolin’i Gileada. Telo izahay no voatendry ho eto Guyana: Florence Thom, avy eto Guyana ihany; Lindor Loreilhe, iray efitrano tamiko; ary izaho. Tonga tamin’ny Novambra 1953 izahay, ary voatendry ho any Skeldon, 180 kilaometatra miala an’i Georgetown, any akaikin’ny fiandohan’ny Reniranon’i Courantyne. Efa tsy nahandry ny hahatongavanay ireo mpitory vitsivitsy tao.

Indianina tatsinanana sady Hindoa sy Silamo ny ankamaroan’ny mponin’i Skeldon. Maro no tsy nahay namaky teny, ka matetika izy ireo no niteny toy izao, rehefa itoriana: “Ataovy tsotsotra Ranabavy a!” Nisy 20 na 30 no nanatrika fivoriana tamin’ny voalohany, fa nihena be izany, rehefa tsy tonga intsony ireo tsy tena liana.

Nandroso be ny vehivavy iray, ka naniry handray anjara tamin’ny fanompoana. Ny zanany lahy 14 taona anefa no tonga teo amin’ilay fotoananay, sady niakanjo tsara sy vonona hiaraka tamiko. Hoy ny reniny: “Azonao entina miaraka aminao i Frederick, Rtoakely Roach, fa tsy afaka aho.” Fantatray tatỳ aoriana fa nanohitra mafy an’ilay vehivavy ny rainy, izay Anglikanina nafana fo. Nandroso tsara kosa i Frederick McAlman, zanany, ka nanatrika ny Sekolin’i Gileada, tatỳ aoriana.—Jereo ny efajoro, pejy 170.

Notendrena ho any Henrietta indray aho taorian’io. Nisy anadahy iray nitory tao amin’io toerana io. Ny Fiangonana Charity no niandraikitra an’io tanàna io. I Rose Cuffie, voalazako tetsy ambony, no mpisava lalana namako vaovao tany. Nandany efatra andro isan-kerinandro tany Henrietta izahay sy Rose. Niala vao maraina be izahay ny zoma, ary nandeha 30 kilaometatra tamin’ny bisikileta, namakivaky lalana feno vovoka, mba hanatrika ireo fivoriana tany Charity. Nitondra legioma, sy lamba firakotra ary lay aro moka izahay.

Nitory izahay teny an-dalana, ary nijanona mba hampahery mpitory nitokana sy rahavavy iray tsy nitory intsony. Niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izy ireny izahay matetika. Nanao ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana niaraka tamin’ireo mpianatra ny Baiboly tany Henrietta izahay ny alahady, rehefa tafaverina. Tsy nisy sampona lehibe mihitsy ny dianay, fa vaky pne tsindraindray fotsiny izahay, na kotsan’ny orana.

Tsy nihena mihitsy ny fifalianay. Hoy mihitsy ny vehivavy iray taminay: “Faly foana ianareo, ary toa tsy misy zavatra manahirana anareo.” Vao mainka faly izahay, satria notahin’i Jehovah ny fanompoanay, ka namokatra. Niverina nanompo an’i Jehovah indray, na dia ilay rahavavy tsy nitory intsony aza. Mbola mahatoky izy hatramin’izao, 50 taona atỳ aoriana.

Nanambady an’i Immanuel Ramalho, mpisava lalana, aho tamin’ny 10 Novambra 1959. Niara-nanompo teto Suddie, 23 kilaometatra atsimon’i Henrietta, izahay. Bevohoka aho, nefa afa-jaza. Nanampy ahy hiatrika izany ny fiezahana hanompo foana. Niteraka roa izahay tatỳ aoriana. Afaka nanohy ny fanompoan’ny mpisava lalana foana anefa izahay.

Nodimandry tamin’ny 1995 i Immanuel. Nanompo an’i Jehovah tany amin’ny faritany maro izahay. Hitanay ny antoko-mpitory kely nanjary fiangonana maro mandroso be, misy anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, ary manana Efitrano Fanjakana mihitsy ny sasany! Nahafaly anay koa ny folo taona nanaovana asa fitetezam-paritany. Tena malahelo an’i Immanuel aho, nefa mampionona ahy ny fanohanana sy fitiavana nasehon’i Jehovah sy ny fiangonana.

Izao no navalin’i Isaia mpaminany, rehefa nanasa olona hanompo i Jehovah: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8) Niezaka mafy izahay mivady mba hanahaka ny toe-tsaina tsaran’io mpaminany io. Marina fa niaritra zava-tsarotra sy nahavaky fo, toa an’i Isaia, izahay indraindray. Mihoatra lavitra noho izany anefa ny fifaliana tsapanay.

[Efajoro/Sary, pejy 170-173]

Ny Tanindrazako Ihany no Nanendrena Ahy ho Misionera

Frederick McAlman

Teraka: 1942

Batisa: 1958

Tantarany: Voatendry ho eto Guyana ihany, taorian’ny Sekolin’i Gileada. Mpisava lalana maharitra izao izy sy Marshalind vadiny.

I Joycelyn Roach (Ramalho ankehitriny), misionera, no nampianatra Baiboly ny reniko tamin’izaho 12 taona, ary mba nanatrika teo koa aho. Tsy nianatra intsony i Neny, fa izaho kosa nanohy sy nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra. Nentin’ny Anabavy Roach sy Rose Cuffie ary Lindor Loreilhe (samy misionera) tamin’ny bisikiletany aho, tamin’izaho 14 taona, mba handeha hitory. Nisy vokany teo amiko ny fitiavan’izy ireo ny asa misionera, saingy mbola tsy tsapako tamin’izany ilay izy.

Niomana ny hatao konfirmasiona tao amin’ny Anglikanina aho, rehefa nanomboka nianatra tamin’ny Vavolombelona. Niezaka nanazava ny Trinite “masina” tamiko ilay pretra indray mandeha. Nihaino aho aloha, ary niteny ihany avy eo hoe tsy ao amin’ny Baiboly io fampianarana io. Namaly izy hoe: “Fantatro fa misy boky vakinao any. Manimba saina ireny fa aza vakina. Tsy maintsy mino ny Trinite ianao.” Tsy niverina tany amin’ny Anglikanina intsony aho taorian’io, fa nanohy ny fianarako tamin’ny Vavolombelona. Vita batisa aho, tamin’ny 1958.

Nahazo taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampana aho, tamin’ny Septambra 1963, nanasa ahy ho mpisava lalana manokana. Nekeko ilay fanasana. Ny Fiangonana Fyrish, any amin’ny Reniranon’i Courantyne, no nanendrena ahy niaraka tamin’i Walter McBean. Nanompo tao nandritra ny herintaona izahay, nitety ny tanàna manamorona ny renirano. Nanomana anay ho amin’ny fanendrena nanaraka izany, dia ny Fiangonana Paradise, izay nisy mpitory folo, tamin’izahay tonga tamin’ny 1964. Niasa tao nandritra ny efa-taona mahery izahay, ary lasa 25 ny mpitory.

Nasaina hanatrika ny kilasy faha-48 tamin’ny Sekolin’i Gileada aho, tamin’ny 1969. Tena faly aho tamin’io, satria nivahiny tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, ka afaka nanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany.” Fifaliana tokoa ny nahita rahalahy sy anabavy mahatoky maro be! Tsy hadinoko mihitsy ny fotoana nandraisan’i Frederick Franz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, anay tao amin’ny efitranony. Nanana boky be dia be izy, ka nanontany tena aho hoe aiza no ataony ny fandrianany! Anisan’ny tia mianatra ny Tenin’Andriamanitra koa i Ulysses Glass, anisan’ny mpampianatra tao Gileada. Mbola tsaroako ny teniny hoe: “Zavatra telo no ilaina amin’ny fanoratana sy fampianarana tsara: marina sy fohy ary mazava.”

Tsoriko aloha fa diso fanantenana aho rehefa fantatro fa eto Guyana ihany no hanendrena ahy. Tanindrazana i Guyana tamiko, fa tsy faritany anendrena. Niresahan’ny Rahalahy Glass mitokana anefa aho, ary nampiany hanova fomba fijery. Nolazainy tamiko fa tombontsoa na dia ny manatrika ny Sekolin’i Gileada fotsiny aza, ary mety halefa any amin’ny toerana vaovao tanteraka amiko aho, rehefa tonga any Guyana. Marina izany, satria notendrena ho any amin’ny Fiangonana Charity, any amin’ny Reniranon’i Pomeroon, aho. Dimy monja ny mpitory tao tamin’izany.

Tsy zatra nanao dia teny ambony renirano izahay sy Albert Talbot, namako, ka tsy maintsy nianatra nitondra lakana. Mety ho mora izany raha jerena, nefa tena sarotra ilay izy. Tsy maintsy jerenao ny herin’ny rano sy ny rivotra, fa raha tsy izany dia tsy ho tafahetsika sy hihodinkodina eo fotsiny ny lakanao. Soa ihany fa nanampy anay tsara ny anabavy iray teo an-toerana.

Nivoy lakana tamin’ny tanana izahay, nandritra ny folo taona. Nisy olona nivarotra maotera tamin’ny fiangonana, nefa tsy ampy ny volanay. Azonao an-tsaina àry ny fifalianay rehefa nahazo seky avy tamin’ny biraon’ny sampana izahay mba hividianana azy io! Toa nisy fiangonana vitsivitsy nahalala ny zavatra nilainay ka te hanampy. Nividy sambo hafa izahay tatỳ aoriana, ary Mpitory Ilay Fanjakana daholo no nataonay anarany, fa nasianay nomerao fotsiny mba hanavahana azy.

Niovaova foana ny mpisava lalana namako, fa nisy iray hitako kosa nataoko ho namako mandra-pahafaty, dia i Marshalind Johnson, mpisava lalana manokana voatendry tao amin’ny Fiangonana Mackenzie. Fantatra eran’i Guyana i Eustace Johnson rainy, satria efa mpiandraikitra ny faritra nandritra ny folo taona, talohan’ny nahafatesany. Mpisava lalana maharitra izahay sy Marshalind izao, ary 72 ny taona nanompoanay manontolo andro, raha atambatra, ka mpisava lalana manokana ny 55 taona tamin’izany. Nitaiza zanaka enina izahay tao anatin’izany.

Notahin’i Jehovah koa ny ezaka nataonay tamin’ny fanompoana. Nitory tany Pomeroon, ohatra, izahay tamin’ireo taona 1970, rehefa nihaona tamin’ny tovolahy mpanjaitra, izay nanaiky hianatra Baiboly. Nianatra tsara izy. Nampirisihinay izy mba hianatra ny anaran’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Herinandro monja dia sady hainy tsianjery ireo boky rehetra, no tadidiny ny pejy misy azy! Ao amin’ny fahamarinana izao izy sy ny vadiny ary ny fito amin’ireo zanany sivy, ary samy anti-panahy eo anivon’ny Fiangonana Charity izahay. Tsy hahazo fitahiana toy izany aho, raha tsy noho ny ohatra tsara nomen’ireo misionera be zotom-po tamin’ny fahatanorako.

[Efajoro/Sary, pejy 176-177]

Nianatra Baiboly An-taratasy Aho

Monica Fitzallen

Teraka: 1931

Batisa: 1974

Tantarany: Nitokana, nianatra ny Baiboly an-taratasy nandritra ny roa taona, ary nitory betsaka tamin’ny Indianina Amerikanina namany. Jamba izy izao, ary mahay tsianjery ny andinin-teny hoentina mitory.

Nipetraka tany Waramuri, tanin’ny Indianina Amerikanina aho. Eo amin’ny Reniranon’i Moruka, any amin’ny faritany avaratrandrefan’i Guyana izy io. Tamin’ireo taona 1970 no nahitako ny fahamarinana, ary ny Fiangonana Charity, any amin’ny Reniranon’i Pomeroon, no akaiky anay indrindra. Mandeha lakana mandritra ny adiny 12 vao tonga any.

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, rehefa niantsena tany Charity. Nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho ahy i Frederick McAlman. Noraisiko ireo gazety ary nentiko nody sy nampirimiko tao anaty vata. Roa taona tatỳ aoriana ireo vao novakiko. Narary mantsy aho tamin’izay, ary tsy afa-nihetsika teo am-pandriana, ka nanjary kivy be. Tamin’izay vao tsaroako ireo gazety. Novakiko izy ireo, ary hitako avy hatrany fa io no fahamarinana.

Nitady asa i Eugene vadiko, tamin’izay, ary tapa-kevitra ho any Charity. Efa tsaratsara aho, ka niaraka taminy. Ny hahita Vavolombelon’i Jehovah anefa no tena anton-diako. Tsy nitady lavitra aho, satria nisy vehivavy Vavolombelona tonga tao amin’ilay trano nisy anay. “Anareo moa ireny Ny Tilikambo Fiambenana ireny?”, hoy aho. ‘Eny’, hoy izy. Nanontaniako àry hoe aiza ilay lehilahy nihaona tamiko tany an-tsena, tamin’ny roa taona lasa. Lasa nitady an’i Frederick McAlman avy hatrany izy, satria nitory teo amin’ny manodidina teo izy sy ny mpitory hafa.

Niara-niverina izy ireo, ary nasehon’ny Anadahy McAlman ny fomba fianarana Baiboly amin’ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nanaiky hianatra aho. Tsy maintsy nody izahay sy Eugene, ka natao an-taratasy ny fianarako. Boky roa no nianarako toy izany, dia ny Fahamarinana sy “Zavatra Izay Tsy Hain’Andriamanitra Andaingana.” Niala tamin’ny Fiangonana Anglikanina aho, rehefa nianatra ny boky Fahamarinana, ary lasa mpitory tsy vita batisa. Nanoratra tamiko ny pretra hoe: “Aza mihaino ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mahay Baiboly tsara ry zareo. Ho avy hiresaka aminao aho.” Tsy tonga mihitsy anefa izy.

Izaho irery no mpitory teto amin’ity toerana ity, ka noresahiko tamin’ny mpiara-monina ny fahalalana vaovao azoko. Nitory tamin’ny vadiko koa aho, ka faly satria natao batisa herintaona taoriako izy. Anisan’ireo mpitory 14 eto izao izy.

Lasa jamba aho, satria voan’ny glaucome sy katarakta, ka tsy maintsy manao tsianjery ny andinin-teny hoentina mitory. Misaotra an’i Jehovah anefa aho, satria mbola afaka manompo azy.

[Efajoro/Sary, pejy 181-183]

Nomen’i Jehovah Ahy ‘Izay Nirin’ny Foko’

Ruby Smith

Teraka: 1959

Batisa: 1978

Tantarany: Avy amin’ny foko karaiba; nandray anjara betsaka tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara tany Baramita, tanin’ny Indianina Amerikanina any afovoan-tany.

Nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’ny 1975, tamin’izaho 16 taona. Nahazo trakta avy tamin’ny zanany i Bebe, ary nasainy nadikako taminy ilay izy, satria tsy nahay teny anglisy izy. Nahagaga ahy ireo fampanantenan’ny Baiboly tao, ka nofenoiko ilay tapakila, ary nalefako tany amin’ny biraon’ny sampana. Nianarako avy hatrany ireo boky voaraiko, ary noresahiko tamin’ny olona ny fahamarinana nianarako. I Bebe sy Nenitoa no nitoriako voalohany. Nampalahelo fa tsy tian’i Dada ny zavatra nataoko.

Tsy ela koa dia nitory i Bebe sy Nenitoa. Nisy olona tonga àry tao an-tranonay, mba hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly. Arakaraka ny namakiako an’ireo boky no nahatakarako fa tsy maintsy nanova ny fiainako aho mba hampifaliana an’i Jehovah. Tokony hiaiky tamin’ny raiko aho, ohatra, fa nangalariko ny zavatra sasany tao am-piasany, ary tokony hamitram-pihavanana tamin’ny anadahiko iray koa aho. Nivavaka imbetsaka aho, ka samy vitako daholo ireo.

Nasain’ny biraon’ny sampana nitsidika ny toerana nisy anay i Sheik Bakhsh, mpisava lalana manokana. Tsy afaka nijanona ela anefa izy, ka nampianarin’izy sy Eustace Smith, namany, an-taratasy aho. Lasa vadiko i Eustace Smith, tatỳ aoriana.

Nandeha tany Georgetown aho tamin’ny 1978 mba hanatrika ny Fivoriambe “Finoana Mandresy.” Nandeha tany amin’ny biraon’ny sampana avy hatrany aho, rehefa tonga, mba hilaza ny faniriako hatao batisa. Nasain’izy ireo i Albert Small mba hiara-midinika tamiko ny fanontanian’ny anti-panahy amin’ireo maniry hatao batisa. Faly erỳ aho rehefa tafaverina teto Baramita, satria efa lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa!

Nazoto be aho, ka nitory avy hatrany. Maro no liana, ka nasaiko nanorina toeram-pivavahana tsotra ny sasany taminy. Nadikako tamin’izy ireo ho amin’ny teny karaiba Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy, isaky ny alahady. Notoherin’i Dada anefa ny zavatra nataoko, ka tsy navelany hivoaka ny trano aho ny alahady. Noraisiko feo tamin’ny kasety àry ireo lahatsoratra, ary nalefan’ny anadahiko tany am-pivoriana. Nisy 100 teo ho eo ny mpanatrika tsy tapaka tamin’izany.

Nifindra tany Georgetown, noho ny fivelomana, ny fianakaviako, tsy ela taorian’io, fa i Bebe kosa lasa tany Matthew Ridge. Nijanona teto Baramita i Nenitoa, nefa tsy nitory intsony. Nijanona kely àry ny fitoriana teto.

Nihaona tamin’i Eustace Smith aho, tany Georgetown, ary nivady izahay tsy ela taorian’io. Tsy nahay teny karaiba i Eustace, nefa samy te hiverina teto Baramita izahay mba hanampy ny olona liana. Tanteraka izany tamin’ny 1992. Nitory sy nandamina fivoriana avy hatrany izahay, raha vao tonga. Tsy ela dia nahatratra 300 ny mpanatrika!

Nanao kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra koa izahay, taorian’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Nanampy tamin’ny fampianarana i Yolande, zanakay voalohany. Vao 11 taona izy tamin’izay, ary mpitory tsy vita batisa. Mpisava lalana maharitra izao izy sy Melissa, zanakay hafa.

Nomen’i Jehovah Efitrano Fanjakana i Baramita tamin’ny 1993. Nomeny “lehilahy ho fanomezana” nahay teny karaiba sy afaka nitari-dalana ny fiangonana koa izahay. (Efes. 4:8) Lasa Fiangonana Baramita izahay, nanomboka ny 1 Aprily 1996. Faly aho fa anisan’io fiangonana io i Neny, sy Bebe, ary ny ankamaroan’ny iray tam-po amiko. Nomen’i Jehovah ahy tokoa ‘izay nirin’ny foko.’—Sal. 37:4.

[Sary]

Izahay sy Eustace ankehitriny

[Tabilao/Sary, pejy 148-149]

GUYANA: IREO TAONA NANAN-TANTARA

1900: Nisy olona nanomboka namaky sy niara-nidinika Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona sy boky ara-baiboly hafa.

1910

1912: Nanao lahateny tamin’olona an-jatony teto Georgetown sy New Amsterdam i E. Coward.

1913: Nohofaina mba hanaovana fivoriana ny efitra iray tao amin’ny Trano Somerset. Nampiasaina hatramin’ny 1958 izy io.

1914: Nanomboka niasa teto Georgetown ny biraon’ny sampana voalohany.

1917: Noteren’ny mpitondra fivavahana ny mpitondra fanjakana, ka nandrara ny bokintsika sasany.

1922: Nesorina ilay fandrarana. Nitsidika i George Young.

1940

1941: Voarara Ny Tilikambo Fiambenana sy Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny).

1944: Voarara ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra.

1946: Nesorina tamin’ny Jona ilay fandrarana. Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany.

Ireo taona 1950: Naseho eran’i Guyana ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa.

1960: Nividy tany sy trano teto Georgetown ny sampana. Sady natao biraon’ny sampana no tranon’ny misionera ireo trano teo amin’ilay tany.

1967: Nihoatra ny 1 000 ny isan’ny mpitory.

1970

1988: Notokanana ireo trano, izay natao biraon’ny sampana vaovao.

1995: Vita ny Efitrano Fanjakana voaorina haingana voalohany.

2000

2003: Notokanana ny biraon’ny sampana ankehitriny, teo amin’ny tany iray hafa.

2004: 2 163 ny isan’ny mpitory eto Guyana.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

2 000

1 000

1910 1940 1970 2000

[Sarintany, pejy 141]

(Jereo ny boky)

GUYANA

Baramita

Hackney

Charity

Henrietta

Suddie

GEORGETOWN

Mahaicony

Soesdyke

Bartica

Yaruni

New Amsterdam

Mackenzie

Wismar

Skeldon

Berbice

Orealla

Lethem

Essequibo

Demerara

Berbice

Courantyne

VENEZOELÀ

BREZILA

SURINAME

[Sary, pejy 134]

[Sary, pejy 137]

Evander Coward

[Sary, pejy 138]

Trano Somerset, Georgetown, Guyana: toeram-pivorian’ny fiangonana tamin’ny 1913-1958

[Sary, pejy 139]

George Young

[Sary, pejy 146]

Frederick Phillips sy Nathan Knorr ary William Tracy, 1946

[Sary, pejy 147]

Fanambarana natao tamin’ny Jona 1946, namarana tamin’ny fomba ofisialy an’ilay fandrarana ny bokintsika teto Guyana

[Sary, pejy 152]

Nathan Knorr, Ruth Miller, Milton Henschel, Alice Tracy (teraka Miller), ary Daisy sy John Hemmaway, 1954

[Sary, pejy 153]

John Ponting

[Sary, pejy 154]

Nanompo teto Guyana nandritra ny 26 taona i Geraldine sy James Thompson

[Sary, pejy 168]

Mpitory mandeha lakana

[Sary, pejy 169]

Mandeha amin’ny “Mpitory Ilay Fanjakana III”, mba hitory eny amin’ny Reniranon’i Moruka

[Sary, pejy 175]

Jerry sy Delma Murray

[Sary, pejy 178]

Frederick McAlman sy Eugene ary Monica Fitzallen, mitory amin’ny lehilahy indianina amerikanina manamboatra ny lakany

[Sary, pejy 184]

Fivoriamben’ny faritra tany Baramita, 2003

[Sary, pejy 185]

Maro no mandray ny fahamarinana any Baramita

[Sary, pejy 186]

Mandeha lakana kely, hitory

[Sary, pejy 188]

Sherlock sy Juliet Pahalan

[Sary, pejy 191]

“Paradisan’ny mpisava lalana” i Guyana

[Sary, pejy 194]

Efitrano Fanjakana any Orealla

[Sary, pejy 197]

Biraon’ny sampana taloha, eo amin’ny 50, Lalana Brickdam, Georgetown, vita tamin’ny 1987

[Sary, pejy 199]

Komitin’ny sampana, ankavia miankavanana: Edsel Hazel sy Ricardo Hinds ary Adin Sills

[Sary, pejy 201]

Betela vaovaon’i Guyana