Islandy
Islandy
Mety ho gilasy sy ranomandry ary trano bongo vita amin’ny lanezy no tonga ao an-tsainao amin’ny hoe Islandy. Vao mainka mieritreritra hatsiaka toy izany ianao, rehefa mijery sarintany. Vitsy ny olona mipetraka any avaratra be toy ny eto Islandy. Efa hikasika amin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra tokoa ny tendrony avaratra!
Tsy mangatsiaka araka ny anarany sy ny toerany anefa i Islandy. Misy rivo-dranomasina mafana avy any avaratra kelin’ny ekoatera, ka mahatonga ny toetrandro ho somary hafana kokoa tsy araka ny iheverana azy. Tsy misy trano bongo koa eto Islandy, satria tena maoderina i Islandy. Trano tsara misy fitaovana fanafanana no ipetrahan’ny olona.
Misy zavatra samy hafa be eto. Toy ny hoe kamo hivoaka ny masoandro amin’ny aty ririnina, satria ora vitsy monja isan’andro no isehoany. Lava sady maizina ny alin’ny ririnina, na dia misy ihany aza tsindraindray ny hazavana avy any avaratra (aurore boréale). Manonitra izany kosa ny hazavan’ny andro mandritra ny volana maromaro amin’ny lohataona. Mijanona eo amin’ny faravodilanitra mandritra ny herinandro vitsivitsy ny masoandro, any amin’ny farany avaratra, ka mahita masoandro ianao amin’ny misasakalina.
Antsoina hoe tanin’ny ranomandry sy afo i Islandy, ary marina izany. Ranomandry no mandrakotra ny ampahafolon’ilay nosy. Eo koa ny afo, satria misy volkano sy ranomafana ao anatin’ny tanin’i Islandy. Am-polony ny volkano
nipoaka teto, ary isaky ny dimy na enin-taona eo ho eo no mipoaka izy ireny, tao anatin’ireo taonjato faramparany. Feno loharano mafana koa atỳ.Mahafinaritra ny zavaboary eto amin’ity tany vitsy mponina ity, ary maro ny bibidia. Misarika olona maro ny rivotra madio, riandrano mahafinaritra, tendrombohitra saro-dalana, ary tany efitra lehibe. Miverina amin’ny fonenany mandritra ny fahavaratra ny vorona mpifindra monina, amin’ny fiandohan’ny lohataona, ka mipetraka any amin’ireo harambato sy heniheny. Anisan’ireny ilay andiam-borona mpifindra monina lavitra indrindra isan-taona, izay tonga hatrany amin’ny farany atsimon’ny tany. Maro koa ireo karazam-borona mameno ny harambato sy ny morontsiraka. Miraoka ahitra any ambanivohitra ny ondry, ary monina any afovoan-tany kosa ny soavaly kelin’i Islandy. An’arivony ny trondro saumons miverina amin’ny fiandohan’ny fahavaratra, milomano sy mitsambikina any anaty renirano sy riandrano mba hanatody.
Taranaka Vikings, nifindra ho eto tamin’ny 1 100 taona lasa, ireo mponina 290 750 eto. Avy any Norvezy ny ankamaroan’ireo mpifindra monina ireo. Nampiasa ny teny norrois tranainy izy ireo, ary io no niavian’ny teny islandey. Niampita tsara tamin’ny taranaka ny literatiora, sady somary mitokana ilay nosy, ka tsy misy voambolana vahiny loatra tafiditra tamin’ilay fiteny. Mbola afaka mamaky ireo angano tranainy ny olona ankehitriny, na dia tamin’ny taonjato faha-13 aza no nanoratana ny ankamaroan’izy ireny. Mirehareha amin’ny fiteniny ny Islandey, ary tena toheriny ny fampifangaroana azy io amin’ny teny vahiny.
“Mpanompo sampy” ny ankamaroan’ireo mpifindra monina voalohany, ary tamin’ny faran’ny taonjato fahafolo vao nezahina novana ho amin’ny “Kristianisma” ny Islandey.
Nisy mpitarika islandey nalaza niova ho Kristianina tamin’ny faramparan’io taonjato io. Nasain’i Althing, anisan’ny Parlemanta Islandey, ny iray tamin’ireo mpitarika ny mpanompo sampy nalaza indrindra tamin’ny taona 1000, mba hifidy hoe inona no tsara: ny fanompoan-tsampy sa ny Kristianisma. Nahagaga fa niaiky izy hoe ny “Kristianisma” ihany no tokony harahina. Toa tsy nisy nanohitra izany fanapahan-kevitra izany. Navelany hanompo sampy nangingina sy nanaraka fanaon’ny mpanompo sampy ihany anefa ny vahoaka. Didy ara-politika, fa tsy ara-pivavahana, raha ny marina izy io. Nandray anjara anefa izany mba hahatonga ny Islandey halala-tsaina momba ny fivavahana.Mpanaraka ny Fiangonana Loteranina Evanjelika ny 90 isan-jaton’ny mponina, satria io no fivavaham-panjakana.
Saika manana Baiboly ny rehetra, nefa vitsy no mino hoe Tenin’Andriamanitra izy io.Tonga teto Islandy ny vaovao tsara
Islandey maro no nifindra ho any Kanada tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, mba handositra ny fahasahiranana nateraky ny fipoahan’ny volkano na ny hatsiaka be. Tany no nandrenesan’ny sasany voalohany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Anisan’ireny i Georg Fjölnir Lindal. Lasa mpisava lalana izy, taoriana kelin’ny nanolorany tena ho an’i Jehovah. Nahay teny islandey ny Rahalahy Lindal, ka tapa-kevitra ny hifindra ho eto Islandy, tamin’ny 1929 (40 taona izy tamin’izay). Tonga teto Reykjavík izy ny 1 Jona, ary izy no voalohany nitory ny vaovao tsara teto Islandy.
Niandry telo volana ny Rahalahy Lindal vao tonga ny baoritra voalohany nisy ny bokiny. Nikasa hitory tamin’ny tsirairay teto anefa izy, raha vao tonga izany. Nizara boky Ny Harpan’Andriamanitra 800 tamin’ny teny islandey izy, tamin’ny faran’ny Oktobra 1929. Izao no nosoratany tamin’izany: “Nitory tany amin’ny tanàna maro, nisy mponina 11 000 eo ho eo, aho hatramin’izay nahatongavako. Mety ho 100 000 na mahery kely ny mponin’i Islandy, ka mbola misy 90 000 tokony hitoriana. Hitaky fotoana be ho an’olona iray ny hitory amin’ny faritany rehetra eto, satria sarotra ny manao dia lavitra. Tsy maintsy mandeha sambo matetika aho, satria be tendrombohitra i Islandy, mikitoantoana ny morontsiraka, tsy misy lalamby, ary vitsy ny lalan’ny aotomobilina.”
Tsy misy fitarainana na dia kely akory aza ao amin’ireo taratasy nosoratany, voatahiry ao anaty fonony misy soratra hoe “Islandy.” Izao koa no nosoratan’i Lindal tamin’io taratasy io (1929): “Mahafaly be ahy ny mitantara zavatra mampahery hitako vao haingana. Afaka niverina tany
amin’ny toerana sasany nitoriako teo aloha aho, ka tafahaona tamin’olona vitsivitsy nividy boky tamin’ny fitoriako. Hoy ny lehilahy iray: ‘Efa novakiko indroa ilay boky Harpa, ary mamaky fanintelony aho izao. Tena tsara ilay boky. Misaotra anao nitsidika.’ Hoy koa ny iray hafa: ‘Hay niverina ianao! Tena tsara ilay boky. Maninona raha avoaka amin’ny teny islandey ny bokin’i Rutherford rehetra?’ Nolazaiko taminy fa misy amin’ny teny danoà ny maro amin’izy ireny. Hoy izy: ‘Alefaso atỳ daholo izay boky anananao; ny bokin’ny Pasitera Russell koa, mba ho ampy ny boky hovakiko amin’ity ririnina ity.’ Nankasitraka an’ireo boky koa ny olon-kafa. Misaotra an’Andriamanitra aho namela ahy hitondra ny fahamarinana tamin’ireo vonon-kihaino.”Asa be ho an’olona iray ny nitory tamin’ny rehetra teto Islandy, izay antsasak’i Angletera ny habeny. Misy 300 kilaometatra ny avy any avaratra mianatsimo, ary 500 kilaometatra kosa ny avy any atsinanana miankandrefana. Efa ho 6 400 kilaometatra ny halavan’ny morontsiraka, anisan’izany ireo helodranomasina. Vitan’ny Rahalahy Lindal tao anatin’ny folo taona anefa ny nitory sy nizara boky eran’ilay nosy. Nandeha sambo nanaraka ny morontsiraka izy, ary nampiasa soavaly kely roa, rehefa nitsidika an’ireo toeram-piompiana tany afovoan-tany. Nitaingenany ny iray, fa nitondra ny bokiny sy ny fananany kosa ilay faharoa. Nilaza ireo rahalahy nanana tombontsoa niara-nanompo tamin’ny Rahalahy
Lindal fa nahafoy tena izy, mato-tsaina, saro-kenatra, ary vitsy teny. Lava izy, ary saika tsy zakan’ireo soavaly kely roa nitaingenany tamin’ny dia nataony. Vitany ny nilanja ny bokiny sy ny fananany, rehefa tsy nisy soavaly.Tsy azon’ny Rahalahy Lindal an-tsaina, tamin’izy nanomboka nitory teto Islandy tamin’ny 1929, fa ho sarotra sy hitaky fiaretana ny fitoriana eto. Izy irery no Vavolombelona teto, nandritra ny 18 taona teo ho eo. Niasa mafy izy, nefa tsy nisy niandany tamin’ilay Fanjakana. Hoy izy tamin’ny 1936: “Boky 26 000 na 27 000 no voapetrako hatramin’izay nahatongavako teto. Maro no namaky azy ireny. Nisy toa vonona hanohitra ny fahamarinana. Tsy miraika tsotra izao anefa ny ankamaroany.”
Nisy kosa ny nankasitraka ny hafatra notoriny. Nandray ny boky Ny Harpan’Andriamanitra, ohatra, ny lehilahy zokiolona iray. Nihaona tamin’ny zanakavavin’io lehilahy io ny Rahalahy Lindal, rehefa niverina nitsidika azy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nolazain’io vehivavy io fa tian’ny rainy ilay boky, ary nianarany tsara, talohan’ny nahafatesany. Nasainy natao tao anaty vatam-paty mihitsy aza ilay boky (araka ny fanaon’ny mpanompo sampy), rehefa maty izy, ka dia natao izany.
Nahazo namana ihany ny Rahalahy Lindal, tamin’ny 25 Martsa 1947, rehefa tonga ny misioneran’i Gileada. Nanohy ny fanompoany teto izy, mandra-piveriny tany Kanada tamin’ny 1953. Mpisava lalana manokana teto Islandy i Páll Heine Pedersen, tamin’ny 1969. Tapa-kevitra ny handeha ho any Winnipeg, any Kanada izy, mba hihaona tamin’ny Rahalahy Lindal, sy hanontany mivantana momba ny asany teto Islandy. Efa tsy teto intsony mantsy ireo misionera niara-niasa tamin’ny Rahalahy Lindal. Nandeha bisy ho any Winnipeg ny Rahalahy Pedersen, rehefa nanao vakansy tany
Etazonia. Reny, rehefa tonga izy, fa nodimandry tamin’io maraina io ny Rahalahy Lindal. Nanompo tamim-pahatokiana an’i Jehovah teto an-tany izy.Nihamaro ny mpijinja
Nahazo hery vao indray ny fitoriana tamin’ny 1947, rehefa tonga ny misioneran’i Gileada roa voalohany, avy any Danemark. Anisan’izy ireo i Leo Larsen. Tonga tamin’ny Desambra 1948 kosa i Ingvard Jensen, avy any Danemark, sy Oliver Macdonald, avy any Angletera. Nanohy ny asan’ny Rahalahy Lindal ireo mpijinja vaovao ireo, ary nametraka boky aman-gazety maro be. Teto Reykjavík sy ny manodidina izy ireo no nitory nandritra ny ririnina, ary tany ambanivohitra manamorona ny morontsiraka kosa, nandritra ny vanin-taona mafana, izay vetivety ihany. Nahatsiaro ny dia fitoriana iray i Ingvard Jensen. Hoy izy: “Niaraka
nankany ambanivohitra tamin’ny misionera iray hafa aho, tamin’ilay fahavaratra voalohany. Nandeha bisy na sambo ho any amin’ny faritany iray izahay, araka ny fanaonay, ary nitondra bisikileta, lay, kitapo fatoriana, boky, ary vatsy. Nandeha sambo ho any Stykkishólmur, any amin’ny morontsiraka atsinanana, àry izahay indray takariva, ka ny ampitso hariva no tonga. Nikasa hitsidika ny trano rehetra tao an-tanàna izahay, ary avy eo dia handeha bisikileta ho any Borgarnes, 100 kilaometatra avy eo. Misy baka mampitohy an’io tanàna io amin’i Reykjavík isan’andro. Tsara ny fiandohan’ilay dia. Volana Jona tamin’izay, ary nipoaka ny andro. Nisitrika tao anaty kitapo fatoriana izahay ny alina voalohany, rehefa avy nitory kely teo an-tanàna. Tsy nety nafana mihitsy anefa izahay. Ny maraina vao hitanay fa nisy lanezy folo santimetatra nilatsaka nandritra ny alina! Tsy azo nohafohezina ilay dia, satria tsy hisy sambo mandritra ny herinandro. Tsy maintsy novitainay hatramin’ny farany àry ny zavatra noeritreretinay: hitory ao amin’ilay tanàna, handeha bisikileta any an-tendrombohitra ho any amin’ny tanàna manaraka ary hitory any amin’ny toeram-piompiana eny an-dalana.”Tonga tany Borgarnes izy ireo, efatra andro tatỳ aoriana, rehefa nandeha bisikileta tao anaty orana mangatsiaka be, sy rivotra mahatratra 110 kilaometatra isan’ora. Nanonitra izany andro ratsy izany anefa ny fandraisana tsara nasehon’ireo mpiompy teny an-dalana. Nanasa azy ireo hisotro kafe sy hisakafo tao an-tranony izy ireny. Tsaroan’ny Rahalahy Jensen fa nisakafo imbalo na impolo isan’andro izy ireo! Hoy izy: “Natahorako ho tafintohina ny olona, raha tsy nandray ny zavatra natolony izahay. Afaka nanazava tsara momba ny Fanjakan’i Jehovah koa izahay.”
Nahapetraka boky aman-gazety 16 000 mahery ireo misionera, nandritra ireo telo taona voalohany. Tsy nitombo araka izany anefa ny fiverenana mitsidika sy fampianarana, satria nandray boky ny olona, nefa tsy niraika tamin’ny fahamarinana. Nandeha tany amin’ny morontsiraka, ohatra, ny Rahalahy Larsen sy Missie vadiny. Tonga avy any Danemark i Missie tamin’ny 1950, mba hanambady an’i Larsen. Nandeha tany amin’ny morontsiraka atsinanana izy mivady, ka nitory tany Höfn, Eskifjördhur, Neskaupstadhur, ary Seydhisfjördhur. Nahapetraka boky 300 sy bokikely 300 teo ho eo koa izy ireo, tamin’io dia sarotra io. Natao pirinty sy natsofoka tao anatin’ny boky tsirairay ny taratasy kely nirakitra hafatra fohy ara-baiboly sy adiresin’ireo misionera teto Reykjavík. Nasaina ny olona nandray boky mba hanoratra sy hangata-panazavana momba ny fahamarinana, nefa tsy nisy nanao izany na iray aza.
Tapa-kevitra ny hitory bebe kokoa tany amin’ny morontsiraka andrefana ireo rahalahy, tamin’ny 1952. Tonga avy any Angletera i Sally tamin’ny 1949, mba hanambady an’i Oliver Macdonald, ary voatendry ho mpisava lalana manokana tany Akureyri izy mivady tamin’ny Jona 1952. Nanohitra mafy azy ireo ilay fivavahana hoe Rahalahy Plymouth, notarihin’ny solontena britanika tao an-tanàna. Maro ny mpanara-dia azy, ary nisy nino ny fiampangany ny Vavolombelona tamin’ny toriteny sy lahatsoratra. Tsy nahita fanoherana toy izany ireo mpisava lalana, tamin’izy ireo teto Reykjavík, nefa sahy niatrika izany tsara, ary nanohy ny fitoriany toy ny nahazatra, sady namaly ireo fiampangana lainga, isaky ny afaka nanao izany. Namoaka ny valin-kafatr’izy ireo ny gazety sasany.
Nitory tany ambanivohitra koa ireo mpisava lalana, ary nametraka boky. Nandray azy tsara toy ny mahazatra ny olona, nefa vitsy no tena liana tamin’ilay hafatra. Niverina teto Reykjavík ny Rahalahy Macdonald mivady tamin’ny Jolay 1953. Namafy voan’ilay fahamarinana anefa izy ireo talohan’ny nialany tany Akureyri, ary nitombo izany voa izany tatỳ aoriana.
Niorina ny fototra
Nanomboka nahita vokatra ireo rahalahy teto Islandy, taorian’ny 27 taona namafazana sy nanondrahana. Olona fito, tamin’ny 1956, no niandany tamin’ilay Fanjakana sy nanolo-tena ho an’i Jehovah. Tsy nisy niorina tamin’ny fahamarinana ny olona liana talohan’io, afa-tsy i Iris Åberg, anabavy anglisy, izay niala teto Islandy tatỳ aoriana. Niorina àry ny fototry ny asa, rehefa nisy an’ireo natao batisa ireo. Niala teto Islandy (noho ny tsy fahasalamana ny ankamaroany) anefa ny misionera sy mpisava lalana niasa mafy teto, tamin’ny 1957.
I Edith Marx, mpisava lalana manokana tonga avy any Danemark tamin’ny 1956, àry sisa no nikarakara an’ilay fiangonana kely. Nila mpitory hanampy izy ireo, satria lasa tampoka ireo nanampy ny vaovao hianatra ny fahamarinana sy hiorina amin’izy io. Soa ihany fa nisy mpisava lalana manokana tonga, avy any Danemark sy Soeda ary Alemaina. Nisy mpitory sy mpisava lalana nifindra teto koa mba hitory ilay Fanjakana. Nisy fitomboana tsikelikely nanomboka teo.
Nisy zavatra hafa niaraka tamin’ny fitomboana, dia ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra tsy tapaka sy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona. Maro ny boky tokony hadika tamin’ny fiteny islandey. Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1960 no voalohany tamin’ny teny
islandey. Nampandroso be ny asa izany. Tena faly ireo rahalahy afaka nanolotra io gazety io tamin’ny fitenin’ny mponina! Nanamafy ny finoany koa ny soa azo avy amin’io sakafo ara-panahy raisina isam-bolana io! Nampandrenesina nandritra ny fivoriamben’ny faritra teto Reykjavík fa hivoaka amin’ny teny islandey Ny Tilikambo Fiambenana. Nesorina tamin’izay ny lamba nanarona ilay sary lehibe nampiseho ny nomerao voalohany tamin’izy io, tao ambadik’ilay mpandahateny. Nitehaka mafy ireo rahalahy, noho io fanomezana vaovao avy amin’i Jehovah io!Tsaroan’ny Rahalahy Pedersen fa ny bokikely “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” ihany no nisy tamin’ny fiteny islandey, tamin’izy tonga tamin’ny Oktobra 1959, ary maro ny olona efa nanana azy io. Nametraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ny teny alemà, anglisy, danoà, na soedoà ny mpitory, raha nahay ny sasany tamin’ireo ilay olona. Mahazo ny iray amin’ireo fiteny ireo ny olona maro, nefa mazava kokoa aminy Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteniny. Nisy vokany lalina teo amin’ny fitoriana io gazety amin’ny fiteny islandey io. Nahazo famandrihana 809 ireo mpitory sy mpisava lalana 41, ary nahapetraka gazety 26 479 tamin’io taom-panompoana io. Nihamaro koa ny fampianarana Baiboly.
Dingana lehibe koa ny fisokafan’ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1 Janoary 1962. Ny sampan’i Etazonia foana no
nikarakara an’i Islandy, taorian’ny sampan’i Danemark. Neken’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Raharaha Ara-pivavahana ho ara-dalàna anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1969. Nanjary nanana zo toy ny an’ny fivavahana hafa àry ny Vavolombelona, ary afaka nanao fisoratam-panambadiana sy nitarika fotoam-pandevenana.Fanoheran’ny mpitondra fivavahana
Nisy ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana, rehefa nanomboka niasa ilay sampana. Nilaza ny lohateny lehibe tao amin’ny gazety malaza iray, indray maraina, fa namoaka bokikely mampitandrina ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny evekan’ny fivavaham-panjakana, ary nilaza fa tsy tokony hohenoina izy ireo. Ny lohatenin’izy io dia hoe Vottar Jehóva—advörun (Fampitandremana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah). Nanazava momba ny Vavolombelona koa ny gazety hafa avy eo. Navoakan’ny gazety Vísir, mpivoaka isan-kariva, ny fanadinadinana natao tamin’ny rahalahy iray tao amin’ny biraon’ny sampana. Nohazavaina tao ny hevitsika. Nanazava ny momba antsika koa ny gazety hafa. Nisy fitoriana be vita noho izany, ary maro ny olona nanjary nahalala ny asantsika. Nisy mpamaky nanoratra taratasy manohana ny Vavolombelona, ka navoaka tao amin’ireo gazety. Namoaka “valin-kafatra” ho antsika avy eo ilay eveka. Nohazavain’ny Vavolombelona tamin’ny fomba feno tao amin’ny Morgunbladid, gazety lehibe indrindra, àry ny asantsika sy ny finoantsika, tao amin’ny lahatsoratra nameno pejy iray.
Nozaraina eran’i Islandy ilay bokikely nisy an’ilay fampitandremana. Maro no nanjary liana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsapa nandritra ny taona maro ny vokany. Nilaza toy izao ny gazety iray, vokatr’izany resa-be izany: “Lasa lehiben’ny mpanao dokam-barotra momba ny Vavolombelon’i Jehovah ilay eveka.” Nanjary fanta-daza ny vahoakan’i
Jehovah, na dia tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriany aza. Nisy nanaraka ny torohevitr’ilay eveka, fa nanjary te hahafantatra ny Vavolombelona kosa ny ankamaroany. Lasa tsy tia Vavolombelona anefa ny tany Akureyri, any avaratra. Nitora-bato an’i Heinrich sy Katherine Karcher, mpisava lalana tany, indraindray ny andian-jatovo. Namerina nizara an’ilay bokikely avy tamin’ilay eveka (nataon’izy ireo pirinty teo an-toerana) ny mpanohitra sasany tany Akureyri, taona maro tatỳ aoriana. Nanao izany koa ny Pentekotista teto Reykjavík, satria noheveriny fa azony sakanana ny fitoriantsika.Sarotra ny nandamina fivoriambe
Nisongadina sy nahafaly ny vahoakan’i Jehovah teto Islandy foana ireo fivoriambe. Tsy nisalasala nandamina fivoriambe ireo rahalahy, na dia vitsy aza ny mpitory. Natao tamin’ny Jolay 1951 ny fivoriambe voalohany, nandritra ny fitsidihan’i Percy Chapman avy any Kanada, sy Klaus Jensen avy any Brooklyn, nandritra ireo fivoriambe natao tatỳ Eoropa. Vitsy kely ireo mpitory teto tamin’izany, nefa nisy 55 ny mpanatrika. Fito taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny Jona 1958, no natao ny fivoriambe nanaraka, nandritra ny fitsidihan’i Filip Hoffmann, mpiandraikitra mpitety sampana. Nisy 38 ny nihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro. Atao isan-taona ny fivoriambe, nanomboka teo.
Anisan’ireo rahalahy vitsy nanana anjara tamin’ilay fandaharana tamin’ireo taona 1950, i Fridrik Gíslason. Hoy izy: “Izaho no niandraikitra ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Sakafo tamin’ireo fivoriambe voalohany. Izaho no nanao ny ankamaroan’ilay asa, nefa koa nanana anjara telo na efatra isan’andro aho. Nanao tablie aho, rehefa niasa tao an-dakozia. Mampiditra palitao kosa aho, rehefa mihazakazaka ho ao amin’ilay efitrano mba hanao lahateny. Nampahatsiahivin’ireo rahalahy aho indraindray mba hanala an’ilay
tablie. Misy 400 na 500 izao ny mpanatrika fivoriambe, ary maro ny anti-panahy mahay, manao an’ireo anjara.”Nahafinaritra sy nahitana fianarana ary nisongadina tamin’ny fivoriambe, ny fampisehoana tantara. Vitsy anefa ny mpitory, ka nohenoina fotsiny ireo tantara, fa tsy nolalaovina. Soa ihany fa nanampy ny sampan’i Danemark, satria nandefa sary miloko azo nampiarahina tamin’ilay feo. Nitaky fanomanana be ihany anefa ireo tantara. Tsy maintsy nadika tamin’ny teny islandey aloha ilay izy. Natao avy eo ny fandraisam-peo, ary rahalahy nahay an’ilay fiteny no nampiasaina. Nampiana avy tamin’ireo kasety tamin’ny teny anglisy koa ny mozika sy ny feo manokana. Nisy tsy maintsy nanao anjara maromaro, ka nanova ny feony arakaraka ny anjarany. Nolalaovina an-tsehatra ireo tantara, tatỳ aoriana.
Ilay momba an’i Estera Vadi-mpanjaka no voalohany tamin’izany, tamin’ny 1970. Nanomana tsara ireo rahalahy, sady nazoto be nanao famerenana. Zava-baovao tamin’izy ireo ny nanao fitafiana toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly, sy nametaka volombava teo amin’ny tarehiny. Nohazonina ho tsiambaratelo ny hoe hisy fampisehoana tantara holalaovina amin’ilay fivoriambe. Nahafinaritra ny nahita izany tampoka. Niezaka namantatra an’ireo mpilalao ny sasany tamin’ireo fivoriambe vitsy mpanatrika, satria mifankahafantatra ny rehetra, sady nipetraka teo akaikin’ny sehatra. Nilaza toy izao ny anabavy iray, rehefa vita ilay tantara: “Eritrereto fa anadahy iray ihany no fantatro tao amin’ilay tantara, ary izy no nanao Nebokadnezara Mpanjaka!” Nolazainy ny anaran’ilay rahalahy, ary gaga izy rehefa nilazana fa diso hevitra izy. Ankasitrahan’ireo rahalahy tokoa ny asa mafy ataon’ny maro mba hanatrehana ilay fandaharana amin’ireo fivoriambe vitsy mpanatrika. Mandray soa amin’ny fianarana avy amin’ireo fampisehoana tantara atao amin’ny fiteniny, ny rehetra.
Fivoriambe iraisam-pirenena nahafaly
Faly nanatrika fivoriambe tany an-tany hafa ny rahalahy teto Islandy, nandritra ny taona maro. Dimy ny Islandey nahazo tombontsoa nanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Sitrapon’Andriamanitra, tany New York (1958). Maro no nanatrika ny Fivoriambe Mpivavaka Tafaray tany Eoropa (1961), sy ny Fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay” (1963). Ny hafa kosa nankafy ny fiarahana tamin’ny rahalahy avy any an-tany hafa, nandritra ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra” (1973). Mpitory maherin’ny 100 avy eto Islandy no nanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany”, tany Copenhague, any Danemark (5-10 Aogositra 1969). Tamin’io
no maro indrindra ny Islandey nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany an-tany hafa. Ny 80 isan-jaton’ny mpitory no nandeha tamin’io.Maro be no niomana hanatrika ny fivoriambe tany Danemark tamin’ny 1969, ka nataon’ny sampan’i Danemark izay hahafahan’ireo rahalahy islandey hiara-mipetraka tany amin’ilay fivoriambe. Nihaona teo amin’ilay toerana voatokana izy ireo isa-maraina, talohan’ny nanombohan’ny fandaharana, ary nihaino famintinana ny fandaharana, tamin’ny fiteniny.
Anisan’ny nanatrika io fivoriambe io i Bjarni Jónsson. Izy dia tovolahy zanaka mpisolovava, tompon’ilay trano teto Reykjavík, natao tranon’ny misionera sy biraon’ny sampana. Tsy nahalala ny fahamarinana loatra i Bjarni, ary tsy hanatrika fivoriambe no antony niarahany tamin’ireo rahalahy tany Copenhague. Ahoana no nahatonga izany?
Niresaka i Kjell Geelnard, mpikarakara ny sampana, sy ny rain’i Bjarni. Nolazain’i Kjell taminy fa hisy fivoriambe iraisam-pirenena hatao any Copenhague, ary maromaro ny rahalahy ho any. Nangatahin’ilay mpahay lalàna àry ny handefasana ny zanany hiaraka amin’ireo rahalahy. Nolazainy tamin’ny Rahalahy Geelnard fa vao afaka baka ilay zanany, ka tiany hanao dia any ivelany, ary tsy maninona raha ho any Copenhague izy. Neken’i Kjell ilay hevitra, ary nilaza izy fa azo atao ny mitady filasiana ho an’i Bjarni, raha tiany ny hanatrika ilay fivoriambe mba hijery izay mitranga any. Faly tamin’izany ilay mpahay lalàna, ka nanontaniany ny zanany raha te hiaraka tamin’ireo Vavolombelona hamonjy fivoriambe. Nanaiky avy hatrany i Bjarni.
Nasaina nitady filasiana ho an’i Bjarni tany Copenhague ny Sampan-draharahan’ny Filasiana. Nisy fianakaviana Vavolombelona nanaiky handray azy. Tsy ho avy mantsy ny
rahalahy amerikanina iray, tokony hiray efitra amin’ny rahalahy islandey iray atao hoe Jakob, ka i Bjarni no nasolo azy. Tsy tonga koa anefa i Jakob, ka i Bjarni irery sisa no niaraka tamin’ilay fianakaviana. Tsy nolazain’ny Sampan-draharahan’ny Filasiana tamin’ilay fianakaviana fa hisolo ny toeran’ilay rahalahy amerikanina i Bjarni, ka noheverin’izy ireo fa i Jakob no anaran’ilay vahininy.Zatra milaza fitantarana ireo rahalahy avy amin’ny toerana samy hafa, rehefa mihaona. Gaga ireo rahalahy danoà, satria tsy dia be zavatra hotantaraina ity noheverin’izy ireo fa Jakob. Nahatsiaro tena ho hafahafa koa i Bjarni, rehefa niantso azy hoe Jakob foana ireo mpampiantrano azy. Anarana ao amin’ny Baiboly ny hoe Jakob, ka noheveriny fa fanaon’ny Vavolombelona ny mampiasa anarana ao amin’ny Baiboly, rehefa miresaka. Nazava ilay resaka, rehefa nihaona tamin’ny rahalahy danoà nanao ny asan’ny mpisava lalana teto Islandy, ny iray tamin’ireo rahalahy tao amin’ilay trano nilasian’i Bjarni. Nanontanian’izy io ilay rahalahy, raha vaovao i “Jakob”, satria tsy mitantara firy momba ny asa any Islandy.
Nohazavain’ilay rahalahy danoà, fa Bjarni no anaran’io heverin’izy ireo fa Jakob io, ary mpianatra avy any Islandy izy, fa miaraka amin’ireo rahalahy tonga tany Copenhague fotsiny. Nandray tsara an’i Bjarni ireo mpampiantrano azy, ary nasain’izy ireo izy mba hijanona nandritra ny herinandro fanampiny sy hizaha tany. Nanohina ny fon’i Bjarni izany hatsaram-panahy izany.Nanatrika an’ilay fivoriambe tokoa i Bjarni. Marina fa tsy nahalala ny fahamarinana izy, ka tsy tena nandray soa feno tamin’ilay fandaharana. Tena nampiaiky azy anefa izay hitany sy reny tany. Nianatra Baiboly izy sy ny fianakaviany, raha vao tafaverina teto Islandy izy. Nandroso tsara i Bjarni, ary vita batisa tamin’ny 1971. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Islandy izy, nanomboka tamin’ny 1979.
Mpandika teny nandritra ny taona maro teto amin’ny sampan’i Islandy i Svanberg Jakobsson, ary mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny izy izao. Mpitory tanora izy, fony nanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena
“Fandresen’Andriamanitra” tany Londres, any Angletera, tamin’ny 1973. Hoy izy: “Tadidiko fa tena tiako ny nijery an’ireo rahalahy sy anabavy an’arivony, nirohotra ho ao amin’ilay kianja hanaovana ny fivoriambe. Nahagaga ahy ny nahita rahalahy sy anabavy maro avy any Afrika, nanao fitafiana nentim-paharazana sy maro loko. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fiarahana tamin’ireo rahalahy an’aliny, niara-nihaino ny fandaharana, niara-nihira, niara-nivavaka, niara-nisakafo, ary niaraka teo fotsiny.”Nandeha sambo nandritra ny enina andro ho any Danemark i Sólborg Sveinsdóttir, vita batisa tamin’ny 1958, sy ny zanany efatra, mba hanatrika ilay fivoriambe tany Copenhague tamin’ny 1961. Anisan’ny antoko-mpitory tany Keflavík i Sólborg. Ahoana no fahitany ny fanatrehana fivoriambe iraisam-pirenena? Hoy izy: “Nahazendana mihitsy ny nandre mpiara-manompo 30 000 niara-niredona ny hiran’ilay Fanjakana tamin’ny fiteny dimy. Tena nanohina ny foko ilay izy. Voalamina tsara ny zava-drehetra.”
Nandany vola be ny fanatrehana fivoriambe iraisam-pirenena, nefa tsy nampaninona an’ireo rahalahy izany. Tena fitahiana ny nanatrika fanasana ara-panahy tsara nomanin’i Jehovah toy izany, sy niaraka tamin’ireo mpiray finoana an’arivony maro.
Notsidihin’ny “mpandroso sakafo” ara-panahy
Maro no nifindra ho eto Islandy, satria mila mpitory maro kokoa eto. Ela be ny fianarana teny islandey, izay sarotra tokoa. Mety hivadika ho fitahiana anefa ny tsy fifankahazoan-dresaka indraindray. Nitory isan-trano, ohatra, i Heinrich Karcher indray andro, ka vehivavy tanora no namoha azy tao amin’ny trano iray. Nampandrosoin’ilay vehivavy avy hatrany izy, raha vao nilaza hoe mpanompo izy. Noheverin’ilay vehivavy fa “mpandroso sakafo” any amin’ny
hotely no tiany holazaina, satria iray ihany ny teny islandey iantsoana ny “mpanompo” sy ny mpandroso sakafo. Noheveriny fa mpiara-miasa amin’ny vadiny ilay rahalahy, satria mpandroso sakafo amin’ny hotely eo an-tanàna ilay rangahy. Efa ho tonga mantsy ilay vadiny, ka nampandrosoiny ilay olona noheveriny fa mpiara-miasa aminy. Mazava ho azy fa toran’ny hehy izy ireo, rehefa tena nazava ilay resaka.Tonga ilay rangahy, ka nandroso sakafo ara-panahy tsara ho azy mivady ilay “mpandroso sakafo”, ary tena tian’izy mivady ilay izy. Nasain’izy ireo niverina niaraka tamin’ny vadiny mihitsy i Heinrich. Tsy ela dia natao ny fianarana Baiboly tsy tapaka, ary nanomboka nitory ilay mpivady liana. Niresaka tamin’izay rehetra nihaino ilay lehilahy mpandroso sakafo, na dia tany am-piasany aza. Natao batisa izy mivady, tatỳ aoriana. Tena faly izy ireo, noho ilay “mpandroso sakafo” ara-panahy tonga tao aminy, ary tsy nisalasala nitory tamin’ny fiteny tsy hainy tsara.
Maro ny tantara nampihomehy, nateraky ny tsy fahazoan-dresaka, rehefa nianatra teny islandey ireo rahalahy vahiny. Niomana hilaza toy izao, ohatra, i Sally Macdonald, tamin’izy vao tonga: “Mitsidika olona eto amin’ny manodidina aho mba hiresaka amin’izy ireo zava-mahaliana avy ao amin’ny Baiboly.” Nafangarony anefa ny teny hoe mitsidika (heimsækja) sy ny hoe mampijaly (ofsækja), ka nitsiky izy sady niteny hoe: “Mampijaly olona eto amin’ny manodidina aho.”
Nitory isan-trano niaraka tamin’ny mpitondra fivavahana loteranina
Mpisava lalana manokana nahatoky nandritra ny taona maro teto Islandy i Holger sy Tove Frederiksen avy any Danemark, ary nisy fotoana nanaovany asa fitetezam-paritany. Sarotra tamin’i Tove ny nianatra ilay fiteny, nefa nanampy
olona maro ho ao amin’ny fahamarinana ny zotom-po sy hafanam-pony.Teny am-panaovana ny asan’ny faritra izy ireo indray mandeha, rehefa niara-nitory isan-trano tamin’ny mpitory tanora iray i Holger, tao amin’ny tanàna kely iray. Gaga izy ireo, satria nanaraka azy koa ny mpitondra fivavahana loteranina. Ahoana no nahatonga izany?
Notsidihin’izy ireo tao an-tranony io mpitondra fivavahana io, fotoana fohy talohan’izay. Sariaka be izy, ary nanasa azy ireo ho ao amin’ny biraony. Nanopy maso an’ireo boky natolotr’izy ireo ilay mpitondra fivavahana, ary niteny hoe: “Fampianaran-diso no ao amin’ireny boky ireny!” Nitsangana tampoka izy avy eo, ary nanangana ny tanany roa, sady nanozona azy ireo tamin’ny anaran’Andriamanitra. “Tsy mahazo mitory eto amin’ny tanànako ianareo!”, hoy izy nikiakiaka. Nilaza tamin’ilay mpitondra fivavahana i Holger fa tsy manan-jo handrara azy ireo tsy hitory izy io, ary hotohizin’izy ireo ilay fitoriana. Niteny avy eo ilay mpitondra fivavahana hoe: “Hiaraka aminareo aho, raha mbola mitory amin’ny olona eto ianareo.” Nilaza i Holger fa afaka manao izany izy.
Nanaraka azy ireo tao amin’ny trano roa akaikin’ny tranony ilay mpitondra fivavahana, ary nihaona tamin’i Tove sy ny anabavy iray hafa izy ireo. Gaga izy mirahavavy nahita an’ilay olona niaraka tamin’izy mirahalahy nitory isan-trano. Nasain’ilay mpitondra fivavahana izy rehetra mba hisotro kafe tao an-tranony. Nahafinaritra ny resak’izy ireo. Noheverin’i Holger fa natao hanakanana azy ireo tsy hamita ny fitoriana tao amin’ilay faritany ny fitiavana nandray vahiny tampoka nasehon’ilay mpitondra fivavahana. Niverina tao amin’ilay faritany àry izy ireo ny ampitso, ary nitory tamin’olona maro vonon-kihaino, sy nametraka boky maro.
Voasakan’ny lanezy avy any an-tendrombohitra
Tsy maintsy mitety tehezan-tendrombohitra feno ranomandry sy lanezy ireo mitory any ambanivohitra, mandritra ny ririnina tsy misy masoandro. Nitsidika an’i Akureyri, any amin’ny morontsiraka avaratra, i Kjell sy Iiris Geelnard, tamin’ny Desambra 1974. Nandeha 80 kilaometatra mahery ho any Húsavík izy ireo, nandritra ilay herinandro fitsidihana. Niaraka tamin’izy ireo koa i Holger sy Tove Frederiksen. Nitory tany Húsavík sy ny manodidina izy efatra mianadahy, nandritra ny andro vitsivitsy, ary namarana ny fitsidihana tamin’ny lahateny sy fampisehoana sary tsy mihetsika tao amin’ny sekoly iray. Nisy rivo-mahery nitsoka, teo am-panombohan’ilay fivoriana, ka nitondra rivotra nangatsiaka sy lanezy ary orana nangatsiaka. Tapaka ny jiro, rehefa nangorona entana hody ny mpanatrika. Maizina ny lalana nody, nefa faly ireo rahalahy, satria efa vita ilay fampisehoana sary vao tapaka ny jiro.
Tsy maintsy niverina tany Akureyri i Geelnard mivady sy Frederiksen mivady. Nanontany ny polisy sy ny saoferan’ny bisy sy kamiao teo an-toerana izy ireo hoe nanao ahoana ny lalana, ary samy namaly ireo fa tsy dia nisy olana loatra. Tapa-kevitra ny handeha haingana araka izay azo atao izy ireo, nefa ela vao voampirina ny entana, satria labozia no nampiasaina. Tsy maintsy nopaompina tanana koa ny lasantsy, rehefa naka lasantsy izy ireo, satria tapaka ny jiro. Tamin’ny sivy alina izy ireo vao tafainga.
Izao no nolazain’i Kjell momba ilay dia: “Tsy nisy olana tamin’ny voalohany, nefa nirotsaka ihany ny lanezy. Tsy hita ny lalana indraindray, ka tsy maintsy nivoaka i Holger mba hanoro lalana tamin’ny jiro kely. Nihitsoka tao anaty lanezy ny fiara indraindray, nefa nanosika izahay sady nanala lanezy tamin’ny lapelina, ka afaka ihany. Tsy afaka
intsony anefa izahay, rehefa nisy rindrina lanezy teo amin’ny lalana. Fantatray tatỳ aoriana fa lanezy nihotsaka avy tamin’ilay tendrombohitra teo ilay izy. Adiny roa, raha ny marina, no anaovana an’i Húsavík mankany Akureyri. Mbola teny antsasa-dalana ihany anefa izahay rehefa afaka adiny enina.”“Tamin’ny telo maraina ny andro, ary kotsa sy reraka ary nangatsiaka izahay. Eritrereto ny hafalianay, rehefa nahita jiro teo amin’ny toeram-piompiana tsy lavitra teo izahay. Niezaka nanatona izahay, ary nandom-baravarana. Mahalala fomba be i Holger, ka teo am-baravarana anoloana izy no nandondòna. Tsy nisy namaly, ka novohany ilay varavarana, niakatra tany ambony izy, ary nodoniny moramora ny varavaran’ny efitrano fandriana. Gaga ilay lehilahy tompon-trano sy ny vadiny, nefa tsy tezitra. Nohazavain’
izy ireo fa nandeha natory izy ireo, rehefa tapaka ny jiro, ary hadinony ny namono azy io!”“Tsapanay teo ilay fahaiza-mandray vahiny asehon’ny Islandey. Nafindran’izy mivady ho any an’efitra hafa ireo zanany natory, mba hahazoanay efatra mianadahy efitra roa hatoriana. Tsy ela koa dia norosoan’izy ireo kafe mafana sy mofo natsiro izahay. Noteren’izy ireo hijanona hatramin’ny sakafo antoandro izahay, teo am-pisakafoanana maraina. Nanohy ny dianay ho any Akureyri izahay, rehefa avy nisakafo antoandro, satria efa nisy kamiao roa mpanala lanezy nanadio ny lalana. Afaka niresaka tsara ny fahamarinana ara-baiboly tamin’izy mivady izahay, noho ny fitiavan’izy ireo nandray vahiny.”
Fitoriana teny ambony sambo mpanjono
Nitory tamin’ny tovolahy iray i Kjell Geelnard, taona vitsy lasa izay. Fridrik no anaran’izy io. Izy no lahimatoa, ary tia fivavahana sy tia miresaka Baiboly izy. Be fanontaniana izy, ary tena te hahafantatra ny Baiboly. Tsy mora anefa ny nihaona taminy indray, satria lehiben’ny sambo mpanjono iray izy. Any an-dranomasina izy matetika, ary andro vitsivitsy monja no andalovany ao an-trano. Nojeren’i Kjell anefa ny fandaharam-potoanan’ilay sambo, ary nanontaniany ny renin’i Fridrik izay fotoana hodiany. Tafahaona tsindraindray teny an-tseranana na tany an-trano izy ireo, vokatr’izany. Nanampy an’i Fridrik handroso ara-panahy àry ireo rahalahy.
Nasaina hanatrika fivoriambe teto Reykjavík i Fridrik, tamin’ny faran’ny 1982. Nanomboka nitombo ny finoany an’i Jehovah tamin’izay, ary nivavaka izy mba hisy fomba hahafahany hanatrika azy io. Nisy mpiara-miasa taminy naka andro tsy iasana, nefa tapa-kevitra ny hiasa indray.
Afaka naka andro tsy iasana àry i Fridrik, ary nanatrika ilay fivoriambe. Tena nampiaiky an’i Fridrik ilay fandaharana, ary tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah izy.Niresaka tamin’ny fofombadiny i Fridrik, rehefa tafody, ary nolazainy ny fanapahan-keviny sy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainany. Nolazain’i Fridrik tamin’ilay fofombadiny àry fa tiany halaina ho vady izy, nefa azony atao ny misaraka aminy, raha tsy tiany ny ho tonga vadina Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nandondòna tao an-tranon’ny misionera, ny ampitso maraina. I Fridik sy ilay fofombadiny no tao. Fohy nefa hentitra ny tenin’i Fridrik: “Te hianatra Baiboly i Helga!” Nampianarin’ireo misionera àry i Helga. Nangataka ny hampianarina Baiboly koa, tamin’io andro io, ny zandrin’i Fridrik iray. Nentin’i Fridrik tany am-pivoriana koa tamin’io herinandro io, ny zandriny faravavy, ary hoy izy: “Te hianatra Baiboly i Unnur!”
Naniry hatao batisa i Fridrik, mba hanehoany ny fanoloran-tenany tamin’i Jehovah, saingy tsy maintsy nampitombo ny fahalalany aloha izy, ary namaly ireo fanontaniana ho amin’ny batisa. Tany an-dranomasina anefa no nandaniany ny ankamaroan’ny fotoanany. Azo notsidihina tany am-piasany i Fridrik, noho izy tsy tratra an-trano. Inona no vahaolana? Nampidirin’i Fridrik hiara-miasa taminy tao amin’ilay sambo i Kjell. Nitondra Baiboly sy boky fianarana àry i Kjell, tamin’ny fiandohan’ny 1983, ary niditra tao amin’ilay sambo mpanjono atao hoe Svalbakur.
“Tsy hohadinoiko mihitsy ny asa sy ny fanompoana tao amin’ny Svalbakur”, hoy i Kjell. “Niditra tamin’ny 6.30 maraina sy nirava tamin’ny 6.30 hariva, izahay. Nisakafo izahay ny antoandro, ary nisy fiatoana kely teny antenatenan’ny asa maraina sy hariva. Nampianatra an’i Fridrik aho, rehefa tsy niasa, ary azo natao foana ny nitory tamin’
ny tantsambo hafa. Nianarana sy niresahana foto-dresaka ara-baiboly ny takariva. Efa misasakalina izahay indraindray vao natory. Tsy nijanona ela tao amin’ny efitra fisakafoana izahay ny antoandro, mba hiara-midinika ny andinin-teny ho an’ny andro, tany an’efitr’i Fridrik.”Mazava ho azy fa nahaliana an’ireo mpiasa ny nahita misionera lasa tantsambo. Natahotahotra an’i Kjell izy ireo tamin’ny voalohany, satria tsy fantany izay mety hataony. Nihaino tsara azy anefa ny mpiasa sasany. Tena liana ny
iray taminy, ka nanjary te hanatrika an’ilay fiaraha-midinika ny teny hodinihina isan’andro koa. Lasa lava loatra ny resaka tao amin’ny efitra fisakafoana indray andro, ka tsy naharitra intsony izy, fa niteny tamin’i Kjell sy Fridrik teo imasoimaso teo hoe: “Tsy efa tokony hiakatra hamaky ny teny hodinihina isan’andro ve isika e?”Nasain’i Kjell sy Fridrik ho ao an’efitr’i Fridrik ny mpiasa rehetra, indray takariva, mba hiresaka momba ny fisotroan-toaka, araka ny fanazavana tao amin’ny Mifohaza! Sivy no tonga tamin’io dinidinika tsy hay hadinoina io, ary nandre momba io resaka io koa ny mpiasan’ny sambo hafa.
“Niantsona an-tseranana izahay, rehefa avy niasa sy nitory tao amin’ny Svalbakur nandritra ny tapa-bolana teo ho eo aho”, hoy i Kjell. “Vita tamin’izay ireo fanontaniana ho amin’ny batisa, ankoatra ny fiaraha-nidinika tamin’i Fridrik momba ny foto-kevitra ara-baiboly maro hafa sy ny fitoriana tamin’ny mpiasa hafa, ary ny fametrahana boky sy gazety maro.” Vita batisa tamin’ny 1983 i Fridrik. Niandany tamin’ny fahamarinana koa i Helga fofombadiny, sy ny reniny ary ny anabaviny.
Fianarana an-telefaonina
Sarotra foana ny nitory tamin’ny olona tany amin’ny toerana lavitra, teto amin’ity nosy lehibe ity. Fitaovana mahomby mba hiresahana amin’ny olona liana sy hifandraisana aminy foana, ny telefaonina.
Maro no nandray soa tamin’io fomba fitoriana io. Nitsidika ny zanany lahy sy ny vinantovaviny efa mianatra Baiboly i Oddný Helgadóttir, indray taona. Nolazain’izy ireo taminy ny zavatra nianarany, ka mba te hianatra koa izy. Lavitra anefa ny toerana nipetrahan’i Oddný, satria any amin’ny morontsiraka avaratrandrefan’i Islandy, izany
hoe 300 kilaometatra mahery avy eo amin’ny fiangonana akaiky azy indrindra. Nanaiky avy hatrany izy, raha vao nilaza ny hampianatra azy an-telefaonina ny Anabavy Gudrún Ólafsdóttir. Namaly an’ireo fanontaniana ao amin’ireo boky avy hatrany i Oddný, rehefa vita ny vavaka fanokafana. Nanomana tsara izy, ary nosoratany ireo andinin-teny voatonona, ka novakiny avy hatrany, raha vao nisy firesahana momba azy ireny. Tsy nila nitady andinin-teny àry izy, nandritra ilay fianarana. Nianatra tany an-tranon’i Gudrún izy ireo, indray mandeha, rehefa nandalo tany i Oddný. Samy nahatsiaro ho hafahafa izy ireo, satria izay vao nifanatri-tava nandritra ny fianarana. Nanao vazivazy àry i Gudrún hoe ho ao amin’ny efitra ilany izy, satria misy telefaonina hafa ao!Nitory tamin’i Jón vadiny i Oddný, raha vao nanomboka nahatakatra ny fahamarinana. Liana i Jón, nefa tsy azon’i Oddný antoka raha tokony ho izy no hampianatra azy. Fantany avy eo fa afaka nitarika ilay fianarana izy, fa tokony hisaron-doha fotsiny, nandritra izany. Nitory tamin’ny mpiara-monina koa izy. Nilaza ny faniriany hatao batisa izy avy eo. Nataon’i Gudrún àry izay hahafahan’i Oddný handinika ireo fanontaniana ao amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika an-telefaonina, niaraka tamin’ny anti-panahy, mba hahitana raha nahafeno fepetra izy na tsia. Zavatra iray ihany no tsy fenony: Mbola tsy niala tamin’ny fiangonany tamin’ny fomba ofisialy izy.
Niantso an’i Gudrún i Oddný, herinandro taorian’izay, mba hilazana taminy fa niala tamin’ny fiangonany izy. Nanao toy izany koa ny vadiny. Fanapahan-kevitra lehibe ho an’i Jón izany, satria izy no filohan’ny filan-kevitry ny
fiangonany. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra i Oddný tatỳ taoriana. Nahafinaritra azy ilay fivoriambe, satria indray mandeha monja izy talohan’io no niara-nivory tamin’ny Vavolombelona vitsivitsy. Nadinadinina izy nandritra ilay fivoriambe, ary nanontaniana raha sarotra aminy ny hoe monina any amin’ny toerana mitokana. Nilaza izy fa tsy nahatsiaro ho nanirery mihitsy, satria fantany fa mba any amin’ny morontsiraka avaratrandrefan’i Islandy koa i Jehovah. Nilaza koa izy fa nalahelo noho ny tsy nahafahan’ny vadiny nanatrika ilay fivoriambe. Nilaza ny ho avy anefa izy, rehefa vonona ny hatao batisa. Nitana ny teny nataony tokoa izy! Nifindra tany amin’ny toerana be mponina kokoa izy ireo tatỳ aoriana, ka afaka nanatrika fivoriana tsy tapaka.Tranon’ny misionera sy Efitrano Fanjakana maro kokoa
Nitsidika an’i Islandy i Nathan Knorr, avy any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1968. Te hitady trano tsara kokoa ho an’ny biraon’ny sampana sy ny misionera izy. Nanofa trano foana ireo rahalahy, talohan’io. Nanomboka nitady tany izy ireo, mba hanorenana Efitrano Fanjakana sy tranon’ny misionera ary biraon’ny sampana. Nisy trano nohofana teo amin’ny Hrefnugata 5, teto Reykjavík tamin’izay, ka nifindra ho ao ireo misionera enina, ny 1 Oktobra 1968. Tao ny foiben’ny asa teto Islandy nandritra ny dimy taona nanaraka. Nividy tany tsara teo amin’ny Sogavegur 71, eto Reykjavík, ireo rahalahy tatỳ aoriana. Nanomboka tamin’ny 1972 ny fanorenana ilay Betela vaovao. Sarotra be ho an’ireo rahalahy vitsy teto izany, satria tsy nahalala firy momba ny fanorenana izy ireo. Tsy nisy mpanao na mpiantoka trano tamin’izy ireo, ka olona tsy Vavolombelona no tsy maintsy nokaramaina. Vonona ny hiara-miasa ireo nokaramaina, ka namela an’ireo rahalahy hiara-miasa taminy. Nohofan’ireo rahalahy ny ampahany tamin’ny trano tranainy iray teo akaikin’ny toeram-panorenana, mba hatao trano fisakafoana. Nifandimby nahandro sakafo tany an-tranony ny anabavy, ary nitondra izany ho an’ny mpanao fanorenana.
Fitoriana tsara teo an-toerana ilay asa fanorenana. Nanjary fantatr’ireo olona nokaramaina sy ny manam-pahefana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nivily tao amin’ilay toerana mba hijery ny fandroson’ny asa. Tonga mba hanampy ny rahalahy iray mpanao trano avy any Danemark, rehefa tonga ny fotoana handalorana ny ao anatiny. Nanao ny ankamaroan’ny asa koa ireo anabavy. Tonga nitsidika an’ilay toeram-panorenana ny tompon’andraikitra vitsivitsy, ary hitany fa nampiasa fitaovana fampifangaroana
simenitra ireo anabavy. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Tena afaka mianatra avy amin’izao ny vehivavy any am-piangonanay. Tsara kokoa ny mandray anjara amin’ny asa mihitsy, rehefa manorina fiangonana, fa tsy mangata-bola sy mandehandeha mitanty rakitra fotsiny.” Notokanana tamin’ny Mey 1975 ilay trano, rehefa nitsidika an’i Islandy i Milton Henschel, ary nanao ny lahateny fitokanana. Io no tena tranon’ny misionera nandritra ny taona maro, sady Efitrano Fanjakana ho an’ireo fiangonana teto Reykjavík. Natao biraon’ny sampana izy io tatỳ aoriana.Nisy fiangonana sy tranon’ny misionera vaovao naorina tany Akureyri, tamin’ny 1987. Niharihary ny firaisan-tsaina sy ny firahalahian’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany, rehefa nisy rahalahy sy anabavy 60 mahery avy any Failandy sy Soeda, tonga nanampy an’ireo rahalahy teto Islandy tamin’ilay fanorenana.
“Karazan-kazo tsara indrindra”
Maro ny solontenan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nifandimby nitsidika an’i Islandy, ary tena nampahery foana ireo fitsidihana. Nisongadina tamin’ny 1968 ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr, voatonona tetsy aloha. Nanao lahateny nampahery izy, nilaza fitantarana, ary niresaka ny fandroson’ny asa fitoriana teto Islandy.
Tamin’ny Mey 1970 no nitsidika voalohany teto Islandy ny Rahalahy Henschel. Te hatory ireo misionera vitsivitsy nitsena azy. Tonga vao maraina be mantsy ny Rahalahy Henschel, nefa nanomboka nipoaka ny omalin’iny i Helka, volkano malaza, ary nijery izany nandritra ny alina ireo misionera!
Nihevitra manokana an’ireo misionera sy mpisava lalana manokana ny Rahalahy Henschel. Nasainy hanatrika fivoriana manokana izy rehetra, ary nitantarany ny fiainany tamin’izy mpisava lalana, nandritra ny Krizy Ara-toe-karena Lehibe. Nilaza izy fa akoho, atody, dibera, legioma, solomaso, ary alika kely mihitsy aza, no azon’ireo mpisava lalana ho takalon’ireo boky! Nitohy àry ny asa nandritra ny fotoan-tsarotra, ary nahazo ny zavatra nilainy foana ireo mpisava lalana.
Tsikaritry ny mpitsidika an’i Islandy avy hatrany fa tsy mahazatra azy ireo ny sakafo. Sakafo mahazatra eto ny svid, lohan’ondry nozaraina roa sy nandrahoina. Eritrereto hoe hitanao eo am-bilianao ny antsasaka lohan’ondry misy nify sy maso iray! Vahiny maro no ‘matahotra ny masony.’ Mazava ho azy fa misy trondro foana eto. Anisan’ny sakafo islandey ny hardfiskur: trondro maina nofisahina. Hanina manta izy io, miaraka amin’ny dibera matetika. Mafy io trondro io, ary tokony hokapohina mba hampahalemy azy. Nahaliana manokana an’ireo misionera àry ny fahitan’ny Rahalahy Henschel an’ilay trondro. Rehefa nanandrana izy, dia nanontanian’ireo misionera hoe ahoana ny fahitany an’ilay izy. Nieritreritra kely izy, ary namaly tamim-pahalalam-pomba hoe: “Ity angamba no karazan-kazo tsara indrindra nohaniko hatramin’izay.”
Mbola nahazo fitsidihan’ny solontenan’ny Filan-kevi-pitantanana imbetsaka ireo rahalahy, ary tsy hay hadinoina sy nampahery izy ireny. Tena tsapan’ireo rahalahy avy tamin’izy ireny, fa anisan’ny mpirahalahy eran-tany, tafaray noho ny fitiavana kristianina izy ireo, na dia vitsy sy mitokana aza.
Miara-miasa amin’ny dokotera sy ny fampitam-baovao
Nanomboka niasa teto Islandy tamin’ny 1992 ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH), misy rahalahy efatra. Nandray fiofanana tany Angletera ny roa taminy, ary tany Danemark kosa ny roa hafa. Nisy fivoriana niarahan’io KHM vaovao io tamin’ny mpiasan’ny hopitaly lehibe iray fiofanana ho mpitsabo. Olona 130 no tonga, anisan’izany ny dokotera, mpitsabo mpanampy, mpisolovava, ary mpitantana hopitaly. Io no fivoriana voalohany niarahan’ny KMH tamin’ny matihanina momba ny fitsaboana, ka rariny raha somary natahotahotra ireo rahalahy. Nahomby anefa ilay fivoriana. Nataon’izy ireo vitsy kokoa ny
dokotera sy matihanina hafa novoriny tany amin’ny hopitaly samihafa, tatỳ aoriana. Niezaka hifandray tsara tamin’ny dokotera mpandidy sy mpanao fanatoranana nalaza koa izy ireo. Nisoroka sy namaha olana momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra ny fifandraisana tamin’ireny olona ireny.Nanan-kery nanomboka tamin’ny 1997 ny lalàna vaovao momba ny zon’ny marary. Voalazan’izy io fa tsy misy fitsaboana tokony hatao, raha tsy neken’ilay marary izany. Tokony hohajaina koa ny fanirian’ny marary tsy mahatsiaro tena, raha fantatra. Voalazan’io lalàna io koa fa tsy maintsy iresahana momba ny fitsaboana azy ny ankizy 12 taona no ho miakatra. Hoy i Gudmundur Gudmundsson, mpitari-draharahan’ilay komity: “Miara-miasa tsara ny dokotera amin’ny ankapobeny, ary mahalana vao misy olana. Tsy ampiasana ra, na dia ny fandidiana lehibe aza.”
Niresaka momba ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra ny Mifohaza! 8 Janoary 2000, ka nampirisihin’ny biraon’ny sampana ireo rahalahy mba hizara azy io betsaka araka izay azo atao. Natoron’ny sampana koa ny fomba azo ametrahana ilay gazety, sy azo amaliana fanontaniana momba ny fampidiran-dra. Nisy niahotra hametraka azy io, tamin’ny voalohany, nefa tsy ela dia hitan’izy ireo fa nahaliana ny olona ilay resaka. Gazety 12 000 no voazara, izany hoe 1 ho an’ny olona 22. Hoy ny rahalahy iray: “Sahirana aho namita ny faritaniko, satria maro be ny resaka nahafinaritra. Hoy ny anabavy iray: “Olona roa monja no tsy nandray an’ilay gazety!”
Nahazo an’io gazety momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra io ny vehivavy tompon’andraikitry ny fandaharana iray ao amin’ny radio. Nolazainy tao amin’ilay fandaharana ny fomba nahazoany an’ilay gazety, ary nofintininy avy eo ny tantaran’ny fampidiran-dra, araka ny voalazan’ilay
Mifohaza! Nolazainy tamin’ny farany hoe tokony hangataka boky momba an’io amin’ny Vavolombelona, izay rehetra te hahazo fanazavana fanampiny momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra.Nanjary takatry ny maro, taorian’ny fizarana an’io gazety io, fa mitombina ny fiheverantsika momba ny ra. Nanjary fantatr’izy ireo koa fa tsy te ho faty ny Vavolombelona, fa mitady ny fitsaboana tsara azony arahina kosa. Nanjary nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana àry ny sasany tamin’ireo nahazo fanazavana diso momba ny fiheverantsika ny ra.
Efitrano roa tao anatin’ny efatra andro
Zavatra niavaka ho an’ireo rahalahy eto Islandy, tamin’ny taom-panompoana 1995, ny fanorenana Efitrano Fanjakana roa nandritra ny volana Jona. Tany Keflavík ny iray, ary tany Selfoss kosa ilay faharoa. Ireo no Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany teto Islandy, ary efatra andro monja no nanorenana azy. Ny fanampiana feno fitiavan’ireo rahalahy avy any Norvezy no nahavitana izany. Ny sampan’i Norvezy no nandefa ny ankamaroan’ny fitaovam-panorenana, ary rahalahy sy anabavy 120 no tonga avy any mba hanampy. Izao no fanamarihana re matetika teny amin’ny toeram-panorenana: “Tena mahagaga izany.” Efa namaky sy nandre momba ny fanorenana Efitrano Fanjakana vita haingana ireo rahalahy teto Islandy, fa tamin’izay izy vao tena nahita maso izany. Mazava ho azy fa nahagaga izany, satria nitombo avo roa heny ny Efitrano Fanjakana teto Islandy, tao anatin’ny andro vitsivitsy monja!
Sady nahazo Efitrano Fanjakana roa vaovao ireo rahalahy, no nahazo hery koa avy tamin’ny fiarahana tamin’ny rahalahy sy anabavy avy any Norvezy. Nianto-tena mba
hanao ilay asa nandritra ny vakansiny ireny rahalahy ireny. Tena manaporofo izany fa mpirahalahy eran-tany isika! Nandray anjara tamin’io asa io koa ireo rahalahy teto Islandy. Mpitory 150 mahery no nandray anjara tamin’ilay asa, izany hoe ny antsasaky ny mpitory.Fitoriana tsara koa ny fanorenana an’ireo Efitrano Fanjakana ireo. Niresaka momba ilay fanorenana ny televiziona roa mandeha eran’i Islandy, ary nampiseho sary avy amin’ireo toeram-panorenana roa. Nitatitra momba azy io koa ny radio sy gazety maromaro. Tsy tian’ny mpitondra fivavahana iray tany Selfoss ny nahita ny Vavolombelona voaresaka be toy izany. Navoakany tao amin’ny gazety teo an-toerana àry ny lahatsoratra fampitandremana momba izay heveriny fa fampianaran-dison’ny Vavolombelona. Nolazainy fa tokony hitandrina manokana ny olona malemy saina sy mora taomina. Naveriny tao amin’ny radio io fampitandremana io. Tsy araka ny niheverany azy anefa ny vokany. Nampiaiky ny ankamaroan’ny olona kosa ilay fanorenana, ary maro no nilaza tamin’ireo rahalahy, rehefa nitory izy ireo, fa gaga tamin’ilay mpitondra fivavahana izy ireo.
Namoaka sary nampihomehy ny gazety, herinandro taorian’ny fampitandreman’ilay mpitondra fivavahana. Ny trano fiangonana no hita eo anoloana, ary ny Efitrano Fanjakana kosa no eo aoriana. Misy renirano mikoriana eo anelanelan’izy roa, ary misy rahalahy vitsivitsy mitsikitsiky, miakanjo tsara mandeha amin’ilay tetezana avy ao amin’ilay Efitrano Fanjakana, mankany amin’ilay fiangonana, mitondra kitapo fitondra mitory. Eo ivelan’ilay fiangonana kosa misy vehivavy matahotra ka tafatsambikina avy eo amin’ny sezany misy kodiarana. Mihazakazaka ny lehilahy iray misy platra amin’ny tongony, sy ny iray hafa
jamba. Samy miantsoantso izy ireo hoe: “Mandosira fa tonga ny Vavolombelona!” Eo an-tohatr’ilay fiangonana kosa ilay mpitondra fivavahana, somary gaga. Maro no nankafy an’io sary mampihomehy io. Nofidin’ny mpiandraikitra an’ilay gazety ho sary mampihomehy tsara indrindra tamin’ny taona ilay izy. Nohalehibeazin’izy ireo ilay sary, ary napetany teo amin’ny rindrin’ny biraony, nandritra ny taona maro.Fampirantiana nanjary fitoriana tsara
Nisy fampirantiana natao tamin’ny taom-panompoana 2001, nanasongadina fa tsy nanao raharaha miaramila, sady nenjehin’ny Nazia, ny Vavolombelon’i Jehovah, talohan’ny Ady Lehibe II sy nandritra izany. Natao tamin’ny toerana telo ilay fampirantiana, ka nisy mpitsidika 3 896. Olona 700 mahery no tonga tamin’ireo roa andro farany, tamin’
ilay iray teto Reykjavík. Nalefa tsy tapaka tamin’ireo toerana telo, ny video Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia tamin’ny teny islandey. Maro ny mpitsidika naka toerana mba hijery an’ilay video manontolo.Nampiaiky ny mpitsidika maro mbola tsy nahalala io tantarantsika io, ny tsy fivadihan’ny Vavolombelona tany amin’ny toby fitanana. Nilaza ny profesora iray nitsidika imbetsaka an’ilay fampirantiana fa nisy vokany lalina teo aminy izy io, ary niova ny fomba fiheverany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohina ny fony indrindra ny finoana natanjaka nananan’ireo Vavolombelona tany amin’ny toby fitanana. Tsy toy ny gadra hafa izy ireo, fa nety ho nafahana, raha nanda ny finoany fotsiny.
Niresaka momba ilay fampirantiana ny televiziona iray mandeha eran’i Islandy ary ny televiziona sy radiom-paritra. Nisy mpitondra fivavahana loteranina nitsidika ilay fampirantiana, niaraka tamin’ny vady aman-janany. Nasain’ireo rahalahy hitsidika Betela izy tatỳ aoriana, ka nekeny izany. Nisy vehivavy nanontany azy momba ny andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly, andro vitsivitsy taorian’izay. Nasainy nanatona ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay vehivavy, satria azony antoka fa ho afaka hamaly an’ilay fanontaniana izy ireo. Nisy rahalahy nampianatra Baiboly an’ilay mpitondra fivavahana, tatỳ aoriana.
Tantaran’ny fandikan-teny
Sarotra ho an’ny mpitory matetika ny nandika ny sakafo ara-panahy rehetra avy tamin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ho amin’ny teny islandey. (Matio 24:45) Vavolombelona Islandey nipetraka tany Kanada no nanao ny ankamaroan’ny fandikan-teny, tamin’ ny voalohany. Natao teto Islandy izany tatỳ aoriana. Nifandray tamin’ny poety efa zokiolona nipetraka tao amin’ny trano nipetrahany, ireo misionera tonga tamin’ny 1947. Nahay teny anglisy ilay poety, ary nanampy an’ireo misionera hianatra ny teny islandey. Nanolo-tena handika teny ho azy ireo koa izy, ka nokaramain’ireo rahalahy mba handika ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” sy ny bokikely Fifaliana ho An’ny Olona Rehetra. Nampalahelo fa fomba fiteny poetika tranainy no nampiasainy, ary maro ny teny tranainy nampidiriny tao. Marina fa nitsara sy nanamboatra an’ilay fandikan-teny ireo misionera vaovao sy ny Rahalahy Lindal, nefa tsy lasa boky fampianarana Baiboly araka ny niheverana azy ilay izy. Betsaka anefa no nozaraina tamin’io boky io tamin’ny fanontana voalohany, ary 14 568 no tontalin’ny natao pirinty. Nisy 20 000 tamin’ilay bokikely no natao pirinty tamin’ny 1949. Nanakarama mpandika teny hafa ireo rahalahy tatỳ aoriana, mba hanao ny boky Inona no Nataon’ny Fivavahana ho An’ny Olombelona?
Nandika bokikely maromaro ny rahalahy vitsivitsy, tamin’izany. Anisan’izany ny “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”, navoaka tamin’ny 1959. Nanampy tamin’ny fanombohana fampianarana Baiboly vaovao maro izy io. Nekena tamin’izay ny hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny islandey.
Maro ny boky tsara nadika sy navoaka tamin’ireo taona nanaraka: “Izao no Hahazoana Fiainana Mandrakizay” (1962); Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray (1966); Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay (1970); Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’
ny Paradisa eto An-tany (1984); ary Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay (1996). Navoaka tamin’ny teny islandey nanomboka tamin’ny 1982 ny Mifohaza! mivoaka isan-telo volana.Tsy nanana fihirana tamin’ny teny islandey ireo rahalahy, nandritra ny taona maro. Hira efatra no nadika sy natao stencil, mba hampiasaina tamin’ny fivoriambe, tamin’ny 1960. Navoaka tamin’ny Novambra 1963 kosa ny fihirana kely nisy hira 30 nofantenana, ka tena faly ireo rahalahy.
Samy nihira araka ny fiteny hainy fotsiny ireo rahalahy, tany am-pivoriana. Tonga avy any Alemaina mba hanao ny asan’ny mpisava lalana teto i Günther sy Rut Haubitz, tamin’ny 1958. Mbola tsaroan’i Rut fa samy nampiasa ny fihiranany ireo rahalahy vahiny, ka nisy tamin’ny teny alemà, anglisy, danoà, failandey, norvezianina, na soedoà. Izay fiteny hainy indrindra kosa no nihiran’ny islandey. Hoy ilay anabavy: “Nifangaroharo be ihany ilay hira!” Nihamaro ny hiran’ilay Fanjakana voadika tatỳ aoriana, nefa tamin’ny 1999 vao voadika ho amin’ny teny islandey ny fihirana feno, misy an’ireo hira 225. Tena ankasitrahan’ireo rahalahy io fanomezana natao hiderana an’i Jehovah io!
Namoaka zava-baovao ho an’ny Islandey ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny Aogositra 1999. Niara-navoaka tamin’ny teny anglisy ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela! tamin’ny teny islandey. Nitehaka ny mpanatrika rehetra, rehefa nambaran’ilay mpandahateny ny namoahana an’ilay boky tamin’ny teny anglisy. Tsy nilaza anefa ilay mpandahateny hoe havoaka any aoriana kely ny amin’ny teny islandey, fa nasehony ilay boky tamin’ny teny islandey. Taitra ny rehetra, rehefa nilaza izy
fa efa voadika amin’ny teny islandey ilay izy! Niara-nivoaka tamin’ny teny anglisy koa Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I sy II.Fanitarana ny Betela sy fitomboana hafa
Nohavaozina tamin’ny 1998 ny tranon’ny sampana. Novidina mba hipetrahan’ny Betelita ny trano roa teo ampitany, ka nanjary nisy birao malalaka kokoa ho an’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny. Nandray soa avy tamin’ny fitsidihan’ny rahalahy avy any amin’ny foibe koa ny mpandika teny, tao anatin’ireo taona faramparany. Nampianarin’ireny rahalahy ireny ny fampiasana programa amin’ny ordinatera namboarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy natao manokana ho an’ny fandikan-teny.
Vao haingana izay no nisy solontenan’ny foibe, nitarika Sekoly Fanatsarana ny Fahaizana Teny Anglisy, teto amin’ny sampana. Nanampy ny mpandika teny izy io mba hahazo tsara kokoa ny teny anglisy, alohan’ny hanombohany handika lahatsoratra.
Hoy ny biraon’ny sampana: “Faly izahay, rehefa mitodika ny lasa, satria nisy sahy nanomboka nandika boky ho amin’ny teny islandey, na dia sarotra aza ny zavatra niainany, ary tsy hainy tsara ilay fiteny. Tsy mitovy ny hatsaran’ny zavatra voadika tamin’izany sy ny ankehitriny, nefa tsy ‘manamavo ny andron’ny zava-madinika’ izahay. (Zak. 4:10) Faly izahay mahita fa nampahafantarina teto Islandy koa ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany, ary maro ny olona nianatra ny fahamarinana.”
Valo izao ny mpiasa manontolo andro eto amin’ny biraon’ny sampana. Mody any an-tranony kosa ny hafa, ary manampy tsindraindray. Misy Efitrano Fanjakana naorina teto Reykjavík, ho solon’ilay teto amin’ny sampana. Kasaina hohavaozina izao ny tranon’ny sampana, mba handraisana mpiasan’ny Betela maro kokoa.
Mitaky faharetana sy fahafoizan-tena ary fitiavana ny fitoriana ny vaovao tsara eto Islandy. Tsy very maina tokoa ny asa mafy nataon’ireo mpitory nazoto teto, tao anatin’ny 76 taona lasa. Maro ny rahalahy sy anabavy nahatoky, nandray anjara tamin’ilay fijinjana. Nisy tonga avy any an-tany hafa mba hanompo nandritra ny taona vitsivitsy, ka hotsarovana foana ny asany. Ao ireo nijanona eto mihitsy. Deraina koa ny faharetan’ireo mpitory islandey.
Vitsy ny mpitory ilay Fanjakana eto, nefa nanjary fantatra tsara eran’i Islandy ny Vavolombelon’i Jehovah. Misionera fito izao no mitory any ambanivohitra sy any amin’ny fiangonana kely eran’ilay nosy. Nisy 543 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny taom-panompoana farany, ary efa ho 180 ny fampianarana Baiboly.
Ho hitan’ireo rahalahy islandey angamba indray andro any ny fitomboana resahin’ny Isaia 60:22 hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Tapa-kevitra ny hanao ilay asa nanirahan’i Jesosy Kristy Mpanjaka anefa aloha izao ireo rahalahy islandey, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Matoky izy ireo fa hampitomboin’Andriamanitra ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ireo mandray tsara sy mankasitraka!—Matio 24:14; 1 Kor. 3:6, 7; 2 Tim. 4:5.
[Efajoro, pejy 205]
Anarana sa Fanampin’anarana?
Tsy manana anaram-pianakaviana ny Islandey, satria ny fanampin’anarana no ifampiantsoan’ny olona. Izao no anaram-pianakaviana ho an’ny ankizy: Raha lahy izy, dia ampiana hoe -son fotsiny ny fanampin’anaran-drainy, fa raha vavy kosa, dia ampiana hoe -dóttir. Raha Haraldur, ohatra, no anaran’ilay lehilahy, dia lasa Haraldsson ny anaran’ny zanany lahy, ary Haraldsdóttir kosa ny vavy. Tsy antsoina amin’ny anaram-badiny ny vehivavy, rehefa manambady. Maro be ny olona mitovy anarana, ka tsy ny anarana sy adiresy ary nomeraon-telefaonina ihany no hita ao anaty annuaire ho an’ny telefaonina, fa ny asa fivelomany koa, mba hanavahana azy. Afaka mamantatra ny razambeny hatrany amin’ny arivo taona mahery lasa ny Islandey, satria voarakitra an-tsoratra izany.
[Efajoro, pejy 208]
Indray Mitopy Maso An’i Islandy
Ilay tany: Eo ambany kelin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra no misy an’io nosy io, eo anelanelan’ny Ranomasina Atlantika Avaratra sy ny Ranomasin’i Groenlandy ary ny Ranomasina Norvezianina. Betsaka volkano sy ranomafana ary loharano mafana mifantsitsitra eto. Ranomandry no manarona ny ampahafolon’ilay tany.
Mponina: Taranaka Vikings avy any Norvezy indrindra indrindra ny Islandey, ka mazoto miasa sy tia mamoron-kevitra ary malala-tsaina amin’ny ankapobeny. Mipetraka any amoron-tsiraka ny ankamaroany.
Fiteny: Ny islandey no teny ofisialy, nefa maro no mahay teny hafa, toy ny anglisy, alemà ary fiteny skandinavianina iray.
Fivelomana: Manana anjara lehibe amin’ny toe-karen’i Islandy ny fanjonoana. Manarato capelans, lamoria, églefins, ary harengs ireo sambo, ka karakaraina sy aondrana ny ankamaroany.
Sakafo: Mahazatra ny trondro sy ondry. Sakafo islandey manokana ny lohan’ondry nandrahoina.
Toetrandro: Antonona ny hafanana, satria misy rivotra mafampana avy amin’ny Ranomasina Atlantika. Tsy mangatsiaka loatra ny ririnina, fa be rivotra fotsiny. Antonona ny hafanana amin’ny lohataona.
[Efajoro/Sary, pejy 210]
6 Septambra 1942: “Mpisava lalana iray monja hatramin’izao no miasa eto, ka tsy misy zavatra azo anaovana tatitra loatra. Misy 120 000 ny mponin’i Islandy, ary misy toeram-piompiana 6 000 eo ho eo eto. Ny fitaingenana soavaly ihany no fomba hahatongavana any amin’ireny toeram-piompiana ireny. Tsy maintsy manao dia 16 000 kilaometatra izay te hitory amin’ireny trano rehetra ireny, ary maro ny tendrombohitra sy renirano an-tendrombohitra tsy maintsy iampitana. Tena vitsy ny olona liana hatramin’izao.”
I Georg Lindal no nanoratra ireo teny ireo, rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana teto nandritra ny 13 taona. Izy irery no mpitory teto nandritra ireo dimy taona nanaraka.
[Efajoro/Sary, pejy 213, 214]
Nanompo Tamim-pahatokiana
Anisan’ny misionera voalohany voatendry ho eto Islandy i Oliver Macdonald, avy amin’ny kilasy faha-11 amin’ny Sekolin’i Gileada. Tonga teto tamin’ny Desambra 1948 izy sy Ingvard Jensen. Nandeha sambo mpitondra entana avy any New York izy mirahalahy ireo. Naharitra tapa-bolana ilay dia, fa nandrivotra be ny Ranomasina Atlantika Avaratra. Tsy nahazaka ranomasina izy ireo, nandritra ny ankamaroan’ilay dia.
Nanambady an’i Sally Wild, avy any Angletera (niasa tao amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne) ny Rahalahy Macdonald, tamin’ny Martsa 1950. Nanao asa tsara maro i Mac (araka ny niantsoan’ny maro azy) sy Sally, ary mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ny olona nampianariny Baiboly.
Niverina ho any Angletera i Mac sy Sally tamin’ny 1957, ary matin’ny kansera tany i Sally (efa teto Islandy no hita ilay aretiny). Nanompo manontolo andro indray i Mac taorian’izay: mpisava lalana maharitra aloha, avy eo mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 13 taona. Nanambady an’i Valerie Hargreaves, mpisava lalana manokana, izy tamin’ny 1960. Nitsidika faritra maro tany Grande-Bretagne izy ireo, tany avaratr’i Ekosy hatrany amin’ireo Nosin’i La Manche, any atsimon’i Angletera. Tonga hatrany Shetland, any avaratr’i Ekosy, izy ireo, rehefa nitsidika nianavaratra. Matetika i Mac no nilaza hoe: “Islandy indray no halehantsika manaraka!”, na dia tsy tena nieritreritra ny ho any aza izy ireo.
Lasa misionera anefa i Mac sy Valerie tamin’ny 1972, ka voatendry ho eto Islandy. Mpikarakara ny sampana i Mac, ary lasa mpandrindra ny Komitin’ny Sampana tatỳ aoriana. Nijanona fito taona teto izy sy Valerie, ary voatendry ho misionera tany Irlandy indray, ka tany Dublin aloha, ary tany Irlandy Avaratra avy eo. Matin’ny kansera tamin’ny Desambra 1999 i Mac, rehefa nanompo 20 taona tany Irlandy. Nanompo manontolo andro nandritra ny 60 taona izy. Mbola mpisava lalana maharitra any Belfast, any Irlandy Avaratra, i Valerie.
[Sary]
Valerie sy Oliver Macdonald teto Reykjavík, 1970 tany ho any
[Efajoro/Sary, pejy 218]
Reykjavík
Renivohitr’i Islandy i Reykjavík, izay midika hoe “Farihy Be Zavona.” I Ingólfur Arnarson, mpifindra monina voalohany nipetraka teto, no nanome an’io anarana io, noho ny etona avy amin’ireo loharano mafana. Tanàna maoderina velombelona izao i Reykjavík, izay misy mponina 180 000 eo ho eo.
[Efajoro/Sary, pejy 223, 224]
Tamana Teto Islandy Izy Ireo
Avy any Danemark i Páll Heine Pedersen. Voatendry ho mpisava lalana manokana teto Islandy izy, tamin’ny 1959. Nanatrika ny roa tamin’ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Mpivavaka Tafaray” tany Eoropa izy, tamin’ny 1961, ary tafahaona tamin’i Violet. Tonga avy any Kalifornia, any Etazonia, mba hanatrika ny maromaro tamin’ireo fivoriambe ireo i Violet.
Niverina teto Islandy i Páll, taorian’ireo fivoriambe, ary nody tany Kalifornia kosa i Violet. Nifandray an-taratasy nandritra ny dimy volana izy ireo, ary tonga teto Islandy mba hanambady an’i Páll i Violet, tamin’ny Janoary 1962. Nanao ny asan’ny mpisava lalana foana i Páll, ary izy no hany Vavolombelona tany amin’ny tanàna vitsy olona tany avaratrandrefan’i Islandy. Roa volana no tsy mipoaka ny masoandro, amin’ny aty ririnina, tany amin’ny tanàna kely nipetrahan’izy mivady. Tsy maintsy namakivaky tendrombohitra mideza sy feno ranomandry izy ireo mba hankanesana any amin’ny olona sasany, nefa môtô nentin’i Páll avy any Danemark no mba hany fitaovam-pitateran’izy ireo. Teraka sy lehibe tany Kalifornia, toerana mafana, i Violet, ka rahalahy maro no nihevitra hoe tsy haharitra eto izy. Naharitra anefa izy, ary lasa tia an’ilay tany sy ny olona.
Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana i Páll sy Violet, mandra-pahaterak’i Elísabeth zanany, tamin’ny 1965. Mbola mpisava lalana i Páll hatramin’ny 1975, ary mpisava lalana tsindraindray koa i Violet. Nifindra tany Kalifornia izy ireo, tamin’ny 1977, satria tsy salama i Páll. Naniry mafy ny hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa izy ireo, tatỳ aoriana, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana indray. Voatendry ho misionera teto Islandy indray àry izy ireo, rehefa nahavita ny fianarany ilay zanany sady ampy taona. Nanompo teny amin’ny saha sy nitety faritany izy ireo nandritra ny taona vitsivitsy. Voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana i Páll tamin’ny 1989. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Betela teto Islandy tamin’ny 1991, ka i Páll sy Violet no mpianakavin’ny Betela voalohany, ary mbola ao hatramin’izao.
[Efajoro/Sary, pejy 228, 229]
Malaza ho Tia Mandray Vahiny
Anisan’ireo fito natao batisa tamin’ny 1956 i Fridrik Gíslason sy Ada vadiny. I Oliver sy Sally Macdonald no nampianatra ny fahamarinana an’i Fridrik sy Ada. I Fridrik ihany no nampianarina tamin’ny voalohany, satria variana niaraka tamin’ny mpanjaitra namany i Ada nandritra ny ririnina. Tsy miaraka ny mpanjaitra amin’ny lohataona, ka nipetraka tao an-dakozia i Ada, rehefa nianatra i Fridrik. Nahaliana azy anefa ilay dinidinika ara-baiboly tatỳ aoriana, ka nanontany izy raha afaka nanatrika fotsiny an’ilay fianarana. Tsy ela anefa dia nandray anjara feno tamin’ilay fianarana izy.
Nisy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy natao tsy tapaka tao an-tranon’izy ireo, tatỳ aoriana. Nanomboka nanatrika fivoriana tany an-tranon’ny misionera izy ireo. “Tsaroako fa nanao fivoriana tao amin’ny efitra kely farany ambony tao an-tranon’ny misionera izahay”, hoy i Fridrik. “Seza 12 no antonona tao, ka nosokafanay ny varavaran’ilay efitra kely teo akaiky, raha maro kokoa ny mpanatrika. Tsy toy izany intsony izao, satria misy fiangonana telo mameno Efitrano Fanjakana eto Reykjavík!”
Malaza ho tia mandray vahiny i Fridrik sy Ada. Nitaiza zanaka enina izy ireo, nefa vonona handray mpiara-manompo foana. Faly nipetraka tao amin’izy ireo ny rahalahy avy any an-tany hafa tonga teto, tamin’ny fotoana niforonan’ny fiangonana teto. Nampiantranoin’izy ireo ireny rahalahy ireny, mandra-pahitany trano azo nipetrahana.
[Efajoro/Sary, pejy 232]
Baiboly Amin’ny Teny Islandey
Boky nivoaka tamin’ny taonjato faha-14, antsoina hoe Stjórn, no nahitana ny fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy indrindra amin’ny teny islandey. Izy io dia mirakitra dikan-teny sy filazana amin’ny fomba hafa ny ampahany amin’ny Soratra Hebreo. Natao pirinty tamin’ny 1540 ny “Testamenta Vaovao” feno amin’ny teny islandey. I Oddur Gottskálksson, zanaky ny evekan’i Hólar, no nandika azy io. Nanaraka ny fiangonana nohavaozina izy, rehefa tany Norvezy, ary nifandray tamin’i Martin Luther tany Alemaina. Voalazan’ny tantara, fa nanomboka nanao ny fandikan-teniny tao an-tranon’omby i Oddur, rehefa niverina teto Islandy. Tena sahirana izy, satria tsy tiany ny hanafintohina an’ilay katolika mpampiasa azy, dia ny evekan’i Skálholt. Nadikan’i Oddur avy tamin’ny Vulgate latinina ny asany, ary izy mihitsy no nitondra ireo taratasiny mba hatao pirinty tany Danemark. Nitarika ny fanaovana pirinty ny Baiboly feno tamin’ny teny islandey ny Eveka Gudbrandur Thorláksson, tamin’ny 1584. Natao pirinty tamin’ny 1908 ny Baiboly islandey voalohany nadika avy tamin’ny teny hebreo sy grika, ary tamin’ny 1912 no natao pirinty ny fanavaozana azy.
[Sary]
“Gudbrandsbiblía”, Baiboly feno voalohany tamin’ny teny islandey
[Tabilao/Sary, pejy 216, 217]
ISLANDY: IREO TAONA NANAN-TANTARA
1929: Tonga i Georg Lindal, mpitory voalohany teto Islandy.
1940
1947: Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany.
1950: Nisy fiangonana kely niforona.
1960
1960: Nivoaka tamin’ny teny islandey Ny Tilikambo Fiambenana.
1962: Nanomboka niasa teto Reykjavík ny biraon’ny sampana.
1975: Vita sy notokanana ny biraon’ny sampana vaovao sy lehibe kokoa.
1980
1992: Niforona ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly.
1995: Efitrano Fanjakana roa vita tao anatin’ny roa andro, tamin’ny Jona.
2000
2004: Mpitory 284 no miasa eto Islandy.
[Tabilao]
(Jereo ny boky)
Mpitory
Mpisava lalana
300
200
100
1940 1960 1980 2000
[Sarintany, pejy 209]
(Jereo ny boky)
ICELAND
Húsavik
Hólar
Akureyri
Seydhisfjördhur
Neskaupstadhur
Eskifjördhur
Stykkishólmur
Borgarnes
Höfn
REYKJAVÍK
Skálholt
Keflavík
Selfoss
[Sary, pejy 202]
[Sary, pejy 207]
Ankavanana: Georg Lindal, 1947
[Sary, pejy 207]
Ambany: Rahalahy Lindal miaraka amin’ny soavaly kely islandey, 1930 tany ho any
[Sary, pejy 212]
Ankavia miankavanana: Ingvard Jensen sy Oliver Macdonald ary Leo Larsen (anisan’ireo misionera voalohany teto Islandy)
[Sary, pejy 220]
Ity trano ity no nisy ny biraon’ny sampana tamin’ny 1962-1968
[Sary, pejy 227]
Mpitory islandey zato mahery no nanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany” tany Copenhague, any Danemark, 1969
[Sary, pejy 235]
Iiris sy Kjell Geelnard tany Akureyri, Janoary 1993
[Sary, pejy 238]
Ankavanana: “Svalbakur”, sambo mpanjono
[Sary, pejy 238]
Ambany: Fridrik sy Kjell
[Sary, pejy 241]
Ankavanana: Oddný Helgadóttir
[Sary, pejy 241]
Ambany: Gudrún Ólafsdóttir
[Sary, pejy 243]
Ankavanana: Efitrano Fanjakana sy tranon’ny misionera any Akureyri
[Sary, pejy 243]
Ambany: Bjarni Jónsson eo anoloan’ny Betela
[Sary, pejy 249]
Ambony: Fanorenana Efitrano Fanjakana tany Selfoss, 1995
[Sary, pejy 249]
Ankavanana: Ilay Efitrano Fanjakana efa vita
[Sary, pejy 253]
Mpianakavin’ny Betelan’i Islandy
[Sary, pejy 254]
Komitin’ny Sampana, ankavia miankavanana: Bjarni Jónsson, Gudmundur Gudmundsson, Páll Pedersen, ary Bergthór Bergthórsson