Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahiti

Tahiti

Tahiti

Eo amin’ny Oseana Pasifika midadasika sady manga manopy maitso no misy an’i Polinezia frantsay. Toy ny vatosoa ireo nosiny, toa an’i Tahiti, Mooréa, ary Bora-Bora, rehefa tazanina avy eny ambony fiaramanidina. Misy trondro miloko isan-karazany ireo farihy mamirapiratra eo afovoan’ny nosy. Vato harana sy torapasika mivolombolamena na manopy mainty kosa no mandravaka ny morontsiraka. Ahofahofan’ny rivotra ireo palmie feno voa. Rakotra zava-maitso ireo tendrombohitra mikitoantoana, ary rahona no manarona ny tendrony. Tena mahasondriana ny mitazana izany rehetra izany!

Tsy mahagaga raha antsoin’ny mpanao hoso-doko sy mpanoratra hoe paradisa an-tany ireny nosy ireny. Tsy maintsy ho toy ny paradisa tokoa izy ireny tamin’ireo tantsambo nonina voalohany teo, tokony ho arivo taona lasa izay. Anisan’ny razamben’ny Polinezianina ireny tantsambo avy any Azia Atsimoatsinanana ireny. Niparitaka tsikelikely nanerana an’i Pasifika izy ireo, ka nanorim-ponenana tamin’ireo nosikely maro be.

Midika hoe “Nosy Maro” ilay teny hoe Polinezia. Miainga avy eo Hawaii ny faritra misy azy any avaratra, ka hatrany amin’ny Nosin’ny Paka any amin’ny farany atsimoatsinanana, ary tonga hatrany Nouvelle-Zélande any atsimoandrefana. Ilay faritra antsoina hoe Polinezia frantsay anefa no tena iompanan’ity fitantarana ity, ary i Tahiti no nosy lehibe indrindra ao amin’izy io. * Manana vondronosy dimy i Polinezia frantsay: Tubuaï (Australes), Gambier, Marquises, Société, ary Tuamotu. Tamin’ny taonjato faha-16 vao nisy Eoropeanina mpikaroka tany vaovao, tonga tany Pasifika.

Tonga ny Eoropeanina

Tamin’ny 1595 no nahitan’ilay Espaniola atao hoe Álvaro de Mendaña de Neira ny nosy sasany tao amin’ny Vondronosy Marquises. Nahita ny nosy sasany tao amin’ny Vondronosy Tuamotu i Pedro Fernandes de Queirós, mpiara-miasa tamin’i Mendaña de Neira, tamin’ny 1606. Ilay Holandey mpikaroka tany vaovao antsoina hoe Jacob Roggeveen kosa no nahita an’i Bora-Bora sy Makatéa ary Maupiti, tamin’ny 1722. Niantsona teto Tahiti ny sambo mpiady britanika Dolphin, nentin’ny Kapiteny Samuel Wallis, tamin’ny 1767. Tonga teto koa ilay Kapiteny frantsay antsoina hoe Louis-Antoine de Bougainville, herintaona taorian’izay.

Misy ‘nosy antsoina hoe Kithira [Cytherea] any Péloponnèse.’ Voalaza mantsy fa teo akaikin’izy io no ‘niakatra avy tao anaty ranomasina i Cythère [andriamanibavin’ny fitiavana sy ny hatsaran-tarehy, antsoina koa hoe Aphrodite].’ Nony nahita ny hatsaran’i Tahiti sy ny fitiavana nasehon’ireo mponina tao àry i Bougainville, dia niantso azy io hoe “Nouvelle Cythère”, araka ny fanazavan’ny boky Finoana any Pasifika AtsimoCook sy Omai (anglisy). Inefatra nitsidika an’i Tahiti i James Cook, teratany anglisy mpikaroka tany vaovao, teo anelanelan’ireo taona 1769 sy 1777. Izy no nanome anarana ny Vondronosy Société, izay misy an’i Tahiti.

Tonga koa ny misionera, taorian’ireo mpikaroka tany vaovao. Ireo misionera nalefan’ny LMS, fikambanana tohanan’ny Fivavahana Protestanta, no nahita fahombiazana be indrindra. Anisan’izy ireny i Henry Nott sy John Davies. Nahavita asa goavana izy roa lahy, satria izy ireo no nanoratra voalohany ny fiteny tahisianina, sy nandika ny Baiboly ho amin’io fiteny io. Be mpampiasa ny Baiboly tahisianina hatramin’izao, indrindra fa any amin’ireo nosy maro anjakan’ny Fivavahana Protestanta eto Polinezia frantsay. Nahita fahombiazana ihany koa anefa ny misionera advantista sy katolika ary mormon. Tena matanjaka, ohatra, ny Eglizy Katolika any amin’ny Vondronosy Marquises sy Gambier ary Tuamotu atsinanana.

Ahoana àry no nahatonga an’ireo vondronosy dimy ho faritany frantsay? Nalain’i Frantsa tsikelikely ireo nosy ireo, nanomboka tamin’ny 1880, ka nataony zanatany. I Papeete, eto Tahiti, no nataony renivohitra, ary nomena ny zom-pirenena frantsay ny mponina. Noraisin’i Frantsa ho faritany any ampitan-dranomasina ireny nosy ireny tamin’ny 1946, ary nantsoina hoe Polinezia frantsay tamin’ny 1957.

Fitoriana voalohany

I Sydney Shepherd no Vavolombelona voalohany tonga teto Tahiti, tamin’ny 1931. Nitory tany amin’ny nosin’i Pasifika maromaro i Sydney, nandritra ny roa taona. Nanaraka azy koa i Frank Dewar, avy any Nouvelle-Zélande. Nahapetraka boky sy gazety betsaka ireo rahalahy ireo, na dia tsy nijanona ela teo amin’ilay faritany aza. Roapolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nilaza toy izao i Leonard (Len) Helberg, mpiandraikitra ny faritra, teratany aostralianina: “Nandeha fiara hankany Papeete ny mpikarakara ny fiangonana, ary niaraka taminy aho. Nisy Amerikanina nifankahalala taminy, noraisiny teny an-dalana. Hoy ilay rangahy rehefa fantany fa Vavolombelona aho: ‘Tsaroako fa nisy namanareo tonga teto taona vitsivitsy lasa izay, nanome ahy maromaro tamin’ny bokin’i Rutherford.’ Izany no anisan’ny asa vitan’ireo mpisava lalana talohanay. Mety ho i Sydney Shepherd na Frank Dewar no niresaka tamin’io rangahy io.”

Anisan’ireo Vavolombelona voalohany nanamafy ny asa fitoriana teto Polinezia frantsay i Jean-Marie sy Jeanne Félix, mpivady nahita ny fahamarinana tany Alzeria, izay mbola zanatany frantsay tamin’izany. Natao batisa tamin’ny 1953 izy ireo. Nisy fanasana nalefa tamin’ny 1955, ho an’ireo afaka nanompo tany amin’ny faritra nilana mpitory maro kokoa, toa an’i Polinezia frantsay. Nanaiky an’ilay fanasana ry Félix mivady, ka nifindra teto Tahiti tamin’ny 1956, niaraka tamin’i Jean-Marc zanany. Injeniera i Jean-Marie, nefa tsy nahita asa. Nifindra àry izy ireo, ka nankany Makatéa, ao amin’ny Vondronosy Tuamotu, izay 230 kilaometatra any avaratratsinanan’i Tahiti. Nahita asa tao amin’ny orinasa mpitrandraka fosifaty i Jean-Marie tany.

Nanomboka nitory avy hatrany tamin’ny mpiray tanàna sy ny mpiara-miasa tamin’i Jean-Marie izy mivady. Nanoratra i Jeanne hoe: “Tena nanaja ny Tenin’Andriamanitra ny olona, sady liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary nazoto nianatra Baiboly. Nampahery anay izany. Tena tsy faly taminay anefa ny mpitondra fivavahana. Nampitandrina ny mpivavaka tao aminy mihitsy aza izy ireo fa ‘mpaminany sandoka’ izahay, ka tsy tokony hiresaka aminay na handalo eo alohan’ny tranonay ny olona!”

Niova anefa ny fiheveran’ny olona azy mivady rehefa nandeha ny fotoana. Maro tamin’izy ireo no nanjary tena nanaja an’i Jean-Marie sy Jeanne, noho izy ireo tsy nanambany ny Polinezianina, toy ny nataon’ny Eoropeanina sasany tany Makatéa.

Na izany aza, dia nila herim-po ny nanohy ny asa fitoriana, satria afaka nandroaka mpiasa araka izay tiany ny lehiben’ilay orinasa mpitrandraka fosifaty. Nitsidika an’ilay fianakaviana koa indraindray ireo polisy roa lahy teo amin’ilay nosy, ka nanontany momba ny zavatra nataon’izy ireo. Fantatr’izy ireo tsikelikely fa tsy atahorana hanao zavatra ratsy i Jean-Marie sy Jeanne. Nanjary tsara fanahy tamin’izy ireo mihitsy aza ireo polisy.

I Maui Piirai no mpianatra Baiboly nandroso voalohany. Polinezianina niara-niasa tamin’i Jean-Marie izy. Nanohina ny fon’i Maui ny fahamarinana, ka nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany izy. Tsy nifoka sigara na nimamo intsony izy, ary nisoratra tamin’ilay vehivavy niara-nipetraka taminy nandritra ny 15 taona. Natao batisa tamin’ny Oktobra 1958 i Maui, ary izy no olona nanolo-tena ho an’i Jehovah voalohany teto Polinezia. Mazava ho azy fa nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa koa i Maui, ary nahatezitra ny mpitondra fivavahana izany. Nanao izay handroahana azy tamin’ny asany mihitsy aza ny pasitera iray. Tsy nahomby anefa izany, satria mpiasa nazoto i Maui, sady tsara laza.

I Germaine Amaru no olona faharoa nandray ny Tenin’Andriamanitra tao Makatéa. Mpampianatra izy, ka ny iray tamin’ny mpianany, i Jean-Marc zanak’i Félix, no nahitany ny fahamarinana. Gaga ilay mpampianatra, satria nahay tsara ny Baiboly i Jean-Marc, na dia vao fito taona aza, ka nampanantsoiny ny ray aman-dreniny. Nampianarin’izy ireo Baiboly àry i Germaine. I Germaine indray no nanampy an’i Monique Sage, mpampianatra namany, sy Roger vadiny, mba hahalala an’i Jehovah.

Niara-nianatra tamin-dry Félix mivady sy Maui Piirai koa i Manuari Tefaatau, diakônina tao amin’ny fiangonana protestanta tao Makatéa, sy Arai Terii namany. Nankany am-piangonany ihany izy roa lahy tamin’ny voalohany, ary nanazava tamin’ny mpiara-mivavaka taminy izay lazain’ny Baiboly momba ny Andriamanitra telo izay iray, ny afobe, ny fanahy tsy mety maty, sy ny sisa. Nahatonga resa-be tao amin’ny fiangonana protestanta izany. Maro anefa ny olona tso-po nanamarina izay reny tao amin’ny Baiboliny, toy ny nataon’ireo Berianina fahiny.—Asa. 17:10-12.

Mazava ho azy fa nahatezitra an’ilay pasitera izany. Nandrahona mihitsy izy fa horoahina izay mbola mihaino ny Vavolombelona. Natahotra ny sasany, fa nisy kosa nanao fandrosoana tsara, ka niala tamin’ilay fiangonana. Anisan’ireny i Manuari sy Arai, ary koa i Moea, vadin’i Maui Piirai, sy Taina Rataro, izay mbola horesahina any aoriana.

Tany an-tranon-dry Félix no nivory ireo mpitory sy mpianatra Baiboly tamin’ny voalohany. I Jean-Marie no nanao ny lahateny tamin’ny teny frantsay, ary i Maui no nandika izany tamin’ny fiteny tahisianina. Rehefa niala tany Makatéa ry Félix mianakavy tamin’ny 1959, dia natao tany an-tranon’i Maui indray ny fivoriana, ary efa vita batisa izy tamin’izany. Inona no tsapan’i Jean-Marie sy Jeanne momba ny fanompoany teo amin’ireo nosy? Efa nodimandry i Jean-Marie, ary mipetraka any Italia izao i Jeanne. Hoy izy: “Tsy nanenina mihitsy izahay. Ny fanompoanay tany Makatéa no fahatsiarovana tsara indrindra teo amin’ny fiainanay.”

Tonga teto Tahiti ny vaovao tsara

Tamin’ny 1955, taloha kelin’ny nandehanan-dry Félix tany Makatéa, dia notendren’ny sampan’i Aostralia hanao ny asan’ny faritra tany Pasifika Atsimo i Len Helberg. An’arivony kilaometatra toradroa ny faritany nanendrena azy, avy any Nouvelle-Calédonie ka hatrany Polinezia frantsay. Latsaka ny 90 anefa ny mpitory nanerana izany faritany lehibe izany, ary tsy nisy mpitory mihitsy teto Tahiti. Zavatra telo no nokasain’i Len hatao: hitsidika ny fiangonana sy antoko-mpitory tsirairay isaky ny enim-bolana; hifandray amin’ireo mpitory sy olona liana mitokana; ary hanokatra faritany vaovao, ka hampiasa ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa, isaky ny azo atao.

Tamin’ny Desambra 1956 i Len no tonga voalohany teto Tahiti, ary nijanona teto roa volana. Nianatra teny frantsay ihany izy tany an-tsekoly, saingy efa hadinony ny ankamaroany. Nitory tamin’ny faritany be toeram-piasana àry izy, sao mba mahita olona niteny anglisy. Nihaona tamin’ny iray tamin’ireo olona mpanankarena indrindra teto Tahiti izy. Tena liana tamin’izay nolazainy ilay lehilahy, ka nanasa azy hiverina. Niara-nisakafo antoandro izy ireo ny asabotsy nanaraka. Nanasa an’i Len hankany an-tranony ilay lehilahy avy eo, ka nitondra azy ireo tamin’ny fiara ny mpamiliny. Hoy i Len: “Gaga aho, rehefa folakandro, fa nandray anjombona ilay lehilahy, ary nitsoka an’ilay izy. Izany no fiantsoana ny olo-manan-kaja rehetra teo an-tanàna, mba ho tonga ao amin’ny toeram-pivoriana eo akaikin’ny tranon’ilay lehilahy.”

“Nisy 12 teo ho eo ny olona tonga, anisan’izany ny ben’ny tanàna, lehiben’ny polisy, ary diakônina protestanta maromaro. Nanazava ny momba ahy ilay lehilahy mpanankarena, ka nilaza hoe: ‘Atoa Helberg dia solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay fivavahana vaovao eto amin’ny nosy. Hamaly izay fanontanianareo rehetra mahakasika ny Baiboly izy.’ Afaka namaly ny fanontaniana rehetra napetrak’izy ireo aho.” Naverina isaky ny asabotsy io fandaharana io, nandritra ny roa volana. Tsy lasa Vavolombelona ilay lehilahy mpanankarena, kanefa nokarakarainy ny fandefasana ilay sarimihetsika Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa tany amin’ny hopitalin’ny boka. Nisy 120 ny mpanatrika.

Nisy olona nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana ve? Hoy ny Rahalahy Helberg: “Nitory isan-trano tao amin’ny faritanin’i Arue aho, tamin’ny Krismasy taona 1956. Tena liana ny fianakaviana iray, antsoina hoe Micheli.” Efa mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! izy mianakavy, satria nandefa famandrihana ho azy ny havany tany Etazonia. Nanaiky ny fahamarinana i Irene, zanakavavin’i Micheli, sy ny vadiny tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly niaraka tamin’Atoa Garnier koa i Len, ka nisy tamin’ny fianakavian’io lehilahy io nanaiky ny fahamarinana. Ny fianakavian’i Micheli sy Garnier no voalohany tao amin’ilay fiangonan’i Papeete, izay niorina tamin’ny 1959.

Notendren’ny sampan’i Aostralia hitsidika an’i Tahiti i Paul Evans, mpiandraikitra ny faritra, sy Frances vadiny, rehefa nanatrika ny sekolin’i Gileada ny Rahalahy Helberg, tamin’ny 1957. Nahapetraka Baiboly 70 mahery sy boky maro ary famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy ireo, nandritra ny fotoana fohy nandalovany. Nanoratra toy izao ny Rahalahy Evans: “Tahisianina maro no nianatra tsara ny Baiboly, sady tena liana, ka maniry mafy ny hitory araka ny toromariky ny fandaminana.” Hahazo ny fanampiana sy toromarika ilainy ve ireny vaovao ireny?

Niverina teto Tahiti ny anabavy iray

Nisy vehivavy tahisianina iray, antsoina hoe Agnès, niala teto Tahiti tamin’ny 1936, ka nankany Etazonia. Nanambady Amerikanina iray atao hoe Earl Schenck izy. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady, ka nandray ny fahamarinana, ary natao batisa tany San Diego, any Kalifornia, tamin’ny 1954. Niara-nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Los Angeles izy mivady sy ny namany, Clyde sy Ann Neill, tamin’ny 1957. Nambaran’i Nathan Knorr tamin’izay ireo faritra nilana mpitory maro kokoa. Anisan’izany i Tahiti.

Hoy ny Rahalahy Neill: “Tafatsangana mihitsy i Agnès, ary nitomany. Nitodika tany amin’izy mivady aho, ary nilaza fa hataoko izay rehetra azoko atao mba hanampiana azy ireo hiverina any Tahiti, miaraka amin’ny zanany lahy 11 taona. Nitomany koa i Earl, izay kilemaina, rehefa nandre izany. Nipetraka tany Pasifika Atsimo nandritra ny 17 taona izy, ary mpanao hoso-doko sy sary sokitra ary mpanoratra no asany tany. Naniry mafy ny hiverina teto Tahiti izy. I Agnès vadiny koa mbola nizaka ny zom-pirenena frantsay.”

Hoy ihany i Clyde: “Nivavaka mafy izahay mivady, ary nanapa-kevitra hankany Tahiti, niaraka tamin’ny zanakay telo lahy, 12 sy 8 ary 3 taona. Nanapa-kevitra ny hiaraka taminay koa i David sy Lynne Carano, ary David zanany. Nandray sambo nankany Tahiti àry izahay, rehefa avy nanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1958.”

“Nanome anay anaran’olona liana vitsivitsy ny sampan’i Etazonia, ka nitsidika azy ireny avy hatrany izahay raha vao tonga. Efa tonga talohanay i Agnès, ary niezaka mafy nitory. Tsy nahay teny frantsay na tahisianina anefa izahay sy Ann, ka satrinay foana hiaraka tamin’i Agnès rehefa nitory. Rehefa nandeha irery izahay, dia nitondra ny boky Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina tamin’ny teny anglisy sy frantsay, fa io no boky fianarana Baiboly tamin’izany.”

Olona 17 no nanomboka nianatra Baiboly tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, vokatr’izany ezaka izany, sy ny fitoriana nataon-dry Evans mivady sy ny Rahalahy Helberg. Hoy i Clyde: “Niavaka ny mpianatra iray antsoina hoe Teratua Vaitape, izay pasitera taloha. Nesorina tamin’io asany io izy, noho ireo fanontaniana maro napetrany momba ny foto-pinoan’ilay fiangonana. Trano kely tsy nisy jiro na rano no nipetrahan’i Teratua sy ny fianakaviany. Nilaza tamiko izy fa izay nianaranay tao amin’ny Baiboly nandritra herinandro vitsivitsy, dia betsaka lavitra noho izay nianarany nandritra ny efa-taona tany amin’ny sekoly fiofanana ho pasitera, sy ireo fito taona naha mpitondra fivavahana azy.”

Hoy ihany i Clyde: “Vao tonga herinandro vitsivitsy izahay, dia efa nandeha ny resaka, ka lasa henon’ny olona rehetra ny momba anay. Nisy nahatsara azy anefa izany, satria tsara fanahy ny Tahisianina sady tia Baiboly.”

Tany an-tranon-dry Schenck no natao ny fivoriana tamin’ny voalohany. Roa ihany ny olona liana nanatrika tao. Hoy ny Rahalahy Neill: “Tsy ela anefa dia nisy 15 tonga nivory tsy tapaka. Anisan’ireo nianatra Baiboly ny vehivavy iray, izay nanampy an’i Len Helberg nanamboatra ny bisikiletany, roa na telo taona lasa izay. Nametraka zavatra hovakina taminy i Len. Tena faly ilay vehivavy rehefa nahalala fa ny fivavahan’i Len no misy anay. Nifanalavitra be tamin’ny nisy anay ny tranony, ka rehefa tonga izahay, dia nanaovany sakafo natsiro, matetika no trondro natono.”

Talohan’ny nandehanan-dry Neill sy Carano, tamin’ny Desambra 1958, dia nanao lahatenin’ny batisa i Clyde. (Io no faharoa nanerana an’i Polinezia frantsay, fa ny voalohany natao tany Makatéa, tamin’ny Oktobra, rehefa natao batisa i Maui Piirai.) Olona 60 no nanatrika, ary 8 no natao batisa. Anisan’ireo natao batisa i Steven, zanak’i Neill, sy Auguste Temanaha, izay nanampy tamin’ny fampiorenana fiangonana iray tao amin’ny nosy Huahine.

Fanampiana teo amin’ny asa fitoriana

Nangatahin’ny sampan’i Fidji i John Hubler sy Ellen vadiny, avy any Aostralia, mba hifindra teto Tahiti tamin’ny 1959, hanampy ny Fiangonana Papeete vao niorina. Mpikarakara ny fiangonana i John, nandritra ireo fito volana nahafahan’izy mivady nipetraka teto Tahiti. Teraka tany Soisa i John, ka nahay niteny frantsay nisosa tsara. Niteny frantsay koa i Ellen, satria niara-nanompo tamin’ny vadiny nandritra ny taona maro tany Nouvelle-Calédonie. Nampiofana tsara ny mpitory tamin’ny fitoriana isan-trano izy mivady, satria fitoriana tsy ara-potoana ihany no fanaon’ny ankamaroan’ny mpitory.

Nanao ny asan’ny faritra i John sy Ellen, tamin’ny 1960. I Polinezia frantsay no faritanin’izy ireo, ka noho izany dia mbola afaka nanampy an’ireo mpitory teto izy ireo. Hoy i John: “Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada aho, tamin’ny 1961. Taorian’ilay sekoly, dia voatendry hanao ny asan’ny faritra tany amin’ireo nosy miteny frantsay rehetra nanerana an’i Pasifika aho.”

Efitrano Fanjakana voalohany

Hoy ny Rahalahy Hubler: “Rehefa niverina teto Tahiti izahay, dia niara-nianatra Baiboly tamin’i Marcelle Anahoa, mpampianatra nisotro ronono. Niezaka mafy nitady tany hanorenana Efitrano Fanjakana izahay tamin’izany. Nisy zava-manahirana roa anefa. Voalohany, tsy nisy olona vonona hivarotra tany, ary faharoa, kely dia kely ny volan’ny fiangonana. Nitady tany ihany anefa izahay, sady natoky fa hanampy i Jehovah.”

“Noresahiko tamin’i Marcelle ilay olana, rehefa niara-nianatra izahay. ‘Misy zavatra hasehoko anao’, hoy izy. Nentiny nivoaka aho, ary nanondro izy, sady nilaza hoe: ‘Hitanao io tany io? Ahy io. Saika hanaovako trano izy io, fa niova hevitra aho rehefa nianatra ny fahamarinana. Homeko hanorenana Efitrano Fanjakana ny antsasak’io tany io.’ Vao nandre an’izay aho, dia nivavaka mangina, nisaotra an’i Jehovah.”

Nanorina ilay Efitrano Fanjakana voalohany ny Fiangonana Papeete, rehefa azo ny taratasy ara-panjakana, ary vita ilay fanorenana tamin’ny 1962. Rafitra tsotra fanao teo an-toerana no nanaovana ilay efitrano, ka tsy nasiana rindrina ilay izy, ary ravin-kesika no natao tafo. Tian’ireo akoho teo amin’ny manodidina anefa ny nipetraka teo amin’ny seza sy teny ambonin’ireo hazo manohana ny tafo. Rehefa tonga hivory àry ireo rahalahy, dia nahita atody sy zezika navelan’ny akoho teo amin’ny gorodona sy ny entana. Azo nampiasaina tsara anefa ilay efitrano, mandra-pahazon’ireo rahalahy efitrano iray lehibe kokoa sy mafy orina kokoa.

Voavaha ireo olana ara-panjakana

Tsy tena fantatr’ireo rahalahy ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Polinezia teo anatrehan’ny fanjakana, tamin’ny voalohany. Voarara ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tany Frantsa, nanomboka tamin’ny 1952, kanefa tsy voarara ny asa. Toy izany koa ve no mihatra amin’i Polinezia, izay faritany frantsay? Nihanitombo ny isan’ny mpitory, ka nanjary voamariky ny olona ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Indray mandeha, tamin’ny faramparan’ny taona 1959, dia niditra tao amin’ny fivoriana iray ny polisy mba hijery izay nitranga tao.

Nomena toromarika àry ireo rahalahy mba hanangana fikambanana ara-dalàna. Hisinda avokoa ny ahiahy rehetra raha voasoratra ara-panjakana ilay fikambanana. Tena faly ireo rahalahy tamin’ny 2 Aprily 1960, rehefa fantatra fa voasoratra ara-panjakana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah!

Mbola voarara anefa Ny Tilikambo Fiambenana tany Frantsa. Nihevitra ireo rahalahy fa nihatra tamin’i Polinezia frantsay koa ilay fandrarana. Ilay gazety hoe La Sentinelle àry no nasiana ireo lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ka nalefa ho azy ireo avy any Soisa. Indray mandeha, dia niresaka tamin’ny Rahalahy Michel Gelas, prezidàn’ilay fikambanana tamin’izany, ny polisy. Nilaza izy ireo fa fantany hoe solon’ny Tilikambo Fiambenana ny gazety La Sentinelle. Tsy nosakanan’ny polisy anefa ny fahatongavan’ireo gazety. Fantatr’ireo rahalahy ny antony tatỳ aoriana, rehefa nesorina ilay fandrarana tany Frantsa tamin’ny 1975.

Nangataka hahazo Ny Tilikambo Fiambenana ireo rahalahy rehefa afaka ilay fandrarana. Fantatra tamin’izay fa tsy navoaka tao amin’ny gazetim-panjakan’i Polinezia frantsay mihitsy ilay fandrarana. Gaga ny maro rehefa nahalala fa hay tsy voarara akory ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana teto Polinezia frantsay.

Sarotiny kosa anefa ireo manam-pahefana tamin’ny fanomezana visa na ny fanalavana ny faharetany. Tsy afaka nijanona afa-tsy volana vitsivitsy àry ireo tsy nanana zom-pirenena frantsay, toa an’i Clyde sy Ann Neill, voatantara teo aloha. Anisan’izany koa ry Hubler. I John kosa anisan’ireo mpiandraikitra ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nahazo visa ihany, sady neken’ny lalàna frantsay ny hisian’ny teratany vahiny iray ao amin’ireo mpiandraikitra ilay fikambanana ara-dalàna.

Nanampy an’i John tamin’ny asan’ny faritra izany. Nampiantso an’i John ny lehiben’ny polisy indray mandeha, ka nanontany ny antony nivezivezeny teo amin’ireo nosy. Nanazava i John fa anisan’ireo mpiandraikitra ilay fikambanana ny tenany, ka tsy maintsy manatrika ny fivoriana fanaon’izy ireo. Nahafa-po an’ilay lehiben’ny polisy ny valin-teniny. Tsy tamin’izay ihany anefa izy no nampanantsoina.

Polinezianina maro, anisan’izany ny pasitera iray, no nanjary tezitra noho ny fanandramana fitaovam-piadiana niokleary natao tao amin’ny faritr’i Pasifika, nanomboka tamin’ny 1963. Nisy mpivadi-pinoana nanararaotra izany, ka nitaraina tany amin’ny polisy hoe anisan’ireo mpanakorontana ny Rahalahy Hubler. Mazava ho azy fa tsy marina izany, kanefa nampanantsoina tany amin’ny lehiben’ny polisy indray i John. Tsy niampanga an’ilay nanendrikendrika azy anefa i John, fa nanazava tamin-katsaram-panahy hoe tsy mandray anjara amin’ny ady isika, sady manaja ny manam-pahefana. (Rom. 13:1) Nanome zavatra hovakin’ilay lehiben’ny polisy koa izy. Fantatr’ilay manam-pahefana tamin’ny farany fa nitady hanakorontana ny Vavolombelona fotsiny ilay olona niampanga.

Tsy nahazo visa intsony anefa ry Hubler tatỳ aoriana. Niverina tany Aostralia àry izy ireo, ary nanohy ny asa fitetezam-paritany. Tsy maintsy nijanona tamin’izany izy ireo tamin’ny 1993, noho ny antony ara-pahasalamana.

Nandritra ny nipetrahan-dry Hubler teo amin’ireo nosy, dia maro ireo olona nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany mba hampifaliana an’i Jehovah. Anisan’izy ireny ny vehivavy 74 taona manan-janaka 14, izay samy tsy manan-dray ara-dalàna avokoa. Hoy i John: “Mama Roro no fiantsoanay azy. Rehefa nahita ny fahamarinana i Mama Roro, dia nisoratra tamin’ilay lehilahy niara-nipetraka taminy, ary nosoratany ara-panjakana avokoa ny zanany rehetra, na dia samy hafa ray aza. Taratasy roa no natambatr’ilay ben’ny tanàna, vao ampy nanoratana ny zanany rehetra. Nanantitrantitra i Mama Roro fa tsy maintsy arahina ny toromarik’i Jehovah.” Natao batisa io anabavy mahatoky io, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana. Ny nametraka gazety no tena nanavanana azy. Tonga hatrany amin’ireo nosy lavitra izy mba hitory, niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa.

Tena nanampy ny Baiboly tahisianina

Maro ny olona tsy nahay afa-tsy fiteny tahisianina, tamin’ireo taona 1960. Afaka nahazo Baiboly tamin’io fiteny io anefa ny olona taorian’ny 1835, noho ny ezaka nataon’ireo mpandika teny roa, dia i Nott sy Davies. * Anisan’ny mampiavaka an’io Baiboly io ny fampiasany ny anaran’Andriamanitra hoe Iehova amin’ny fiteny tahisianina, ao amin’ireo andinin-teny, anisan’izany ny Soratra Grika.

Niely eran’ireo nosy ny Baiboly tahisianina, ka izany no nanampy olona maro hahita ny fahamarinana. Anisan’izy ireny i Taina Rataro. Teraka tamin’ny 1927 i Taina, ary anisan’ireo mpianatra Baiboly voalohany tany Makatéa izy. Tsy nahay namaky na nanoratra ny fiteny tahisianina izy tamin’ny voalohany, kanefa io no fitenin-drazany. Niezaka mafy anefa izy, ka nanao fandrosoana. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana mihitsy aza izy, ary voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tatỳ aoriana.

Efa 78 taona i Elisabeth Avae, izay teraka tany amin’ny nosy Rimatara, ao amin’ny Vondronosy Tubuaï, 600 kilaometatra miala an’i Tahiti. Tsy nahay teny frantsay mihitsy izy tamin’ny 1960, nefa nahay namaky sy nanoratra ny fiteny tahisianina. Nanambady izy, ary nifindra tany Papeete izy mivady. I Marguerite, zanany vavimatoa, izay efa nanomboka nivory, no nahalalany ny fahamarinana. Nanomboka nivory koa i Elisabeth, niaraka tamin’ny zanany sivy hafa. Nandeha foana izy, na dia nanohitra mafy aza ny vadiny, ka nanipy ny akanjony rehetra teny an-tokotany raha mbola tany am-pivoriana izy.

Natao tamin’ny teny frantsay ny fivoriana tamin’izany, ary nadika tamin’ny fiteny tahisianina ny anjara sasany indraindray. Nanaraka tao amin’ny Baiboly tahisianina i Elisabeth rehefa nisy andinin-teny novakina, ka izany no nahazoany fampaherezana avy tamin’ny fandaharana. Nampiasa ny bokikely “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” tamin’ny fiteny frantsay ilay anabavy niara-nianatra taminy, ka nandika izay voalazan’ilay boky tamin’ny fiteny tahisianina. I Elisabeth kosa namaky ny andinin-teny tao amin’ny Baiboliny. Nandroso tsara àry izy, ka natao batisa tamin’ny 1965. Izy kosa no nampianatra ireo tsy nahay afa-tsy ny fiteny tahisianina. Nampianatra ny zanany koa izy, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah ny enina tamin’izy ireo, sy ny zafikeliny sasany, izay notezainy.

Manompo ao amin’ny sampan’i Tahiti i Diana Tautu, zafikelin’i Elisabeth. Niasa tamin’ny fandikan-teny nandritra ny 12 taona izy. Hoy i Diana: “Misaotra an’i Bebe aho, nampianatra ahy tsara ny fiteny tahisianina. Manana tombontsoa aho izao, mandray anjara kely amin’ny fanampiana ny hafa hahazo sakafo ara-panahy amin’ny fitenin-drazany.”

Sinoa nianatra momba an’i Jehovah

Sinoa ny 10 isan-jaton’ny mponin’i Tahiti, tamin’ireo taona 1960. I Clarisse Lygan no Sinoa voalohany nanaiky ny fahamarinana, ary mbola zatovo izy tamin’izany. Nahantra ny fianakavian’i Clarisse. Niasa izy isaky ny alarobia, rehefa tsy nianatra, mba hahazoana vola. Fianakaviana Vavolombelona no niasan’i Clarisse, ary izany no nahitany ny fahamarinana. Natao batisa izy tamin’ny 1962, rehefa feno 18 taona, na dia nanohitra mafy aza ny ray aman-dreniny.

Anisan’ireo Sinoa voalohany nanompo an’i Jehovah teto Tahiti koa i Alexandre sy Arlette Ly Kwai ary Ky Sing Lygan. Tonga avy tany Nouvelle-Zélande i Jim sy Charmian Walker, mpivady Vavolombelona, tamin’ny 1961 mba hanampy amin’ny fitoriana. Nihaona tamin’izy ireo i Alexandre indray andro, fa mpitondra taxi izy. Nilaza i Alexandre fa naniry hianatra teny anglisy izy. Hoy i Charmian: “Mpisava lalana aho tamin’izay. Niteny taminy àry i Jim hoe afaka nampianatra azy aho. Nanaiky i Alexandre. Nianatra teny anglisy nandritra ny antsasak’adiny izy, ary nianatra Baiboly kosa nandritra ny antsasak’adiny, tamin’ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray.”

Nianatra ny fahamarinana koa i Ky Sing, rahalahin’i Alexandre. Vao nifindra tany amin’ny Eglizy Katolika anefa izy mirahalahy tamin’izany, ary nianatra momba an’io fivavahana io. Mazava ho azy fa hitan’izy ireo hoe tsy mitovy amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny an’ilay fiangonana. Nanontany an’ireo mpianatra niisa 100 ny pretra rehefa vita ny fianarana, raha nisy nanana fanontaniana izy ireo. Nanangan-tanana i Alexandre, ary nangataka porofo avy tao amin’ny Soratra Masina fa tsy mety maty tokoa ny fanahy. Namaly ilay pretra hoe: “Fantatro ny niavian’izay fanontaniana izay. Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, sa tsy marina izany?” Nanaraby azy teo imason’ny mpianatra rehetra ilay pretra avy eo.

Iny zava-nitranga iny no vao mainka nanaporofo tamin’i Alexandre sy Ky Sing fa tsy manana ny fahamarinana ny Fivavahana Katolika. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo sy ny vadiny avy, ary voatendry ho anti-panahy izy mirahalahy tatỳ aoriana. Efa anisan’ny Komitin’ny Sampana i Alexandre. Nifindra tany Raïatéa, tany amin’ny Vondronosy Société izy mivady avy eo, mba hanampy ny fiangonana tany. Nankany amin’ny nosy Bora-Bora izy ireo tatỳ aoriana, ary nanompo tany tamim-pahatokiana ny Rahalahy Alexandre mandra-pahafatiny.

Niova hevitra teny ambony sambo

Teknisianina tao amin’ny orinasa mpanao tele tany Milan, any Italia, i Antonio Lanza. Tamin’ny 1966, dia nanontaniana izay vonona handeha any Tahiti, mba hanao asa fikojakojana ho an’ilay orinasa. Nanaiky an’ilay asa haharitra telo taona i Antonio. Tiany hajanona tany Italia ihany anefa ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Nitomany nandritra ny herinandro maro i Anna, sady niezaka hampiova hevitra ny vadiny, saingy tsy nisy vokany izany.

Naharitra 30 andro ilay dia avy tany Marseille, any Frantsa, nankany Papeete. Olona be resaka i Antonio, kanefa niteny frantsay avokoa ny olona teny ambony sambo, ka tsy azony. Nihaona tamin’ny masera italianina roa izy ny ampitso, nefa nivavaka foana izy ireo isan’andro, ka tsy afaka niresaka ela taminy. Nilaza anefa izy ireo fa nisy vehivavy frantsay nahay niteny italianina tao amin’ilay sambo. Lilian Selam no anarany, ary Vavolombelona izy io. Niaraka tamin’ny zanany izy, mba hamonjy ny vadiny, izay vao nahazo asa teto Tahiti.

Tafahaona tamin’i Lilian i Antonio, ary faly niresaka taminy. I Lilian kosa nanome azy zavatra hovakina tamin’ny fiteny italianina. Niresaka momba ny fivavahana izy ireo taorian’izay. Nampahafantarin’i Lilian an’i Antonio tamin’izany, fa hitarika azy ho amin’ny fitondran-tena ratsy ny fandaozany ny vady aman-janany mandritra ny telo taona, noho ilay asa any Tahiti. Nasehony azy avy tao amin’ny Baiboly koa fa masina amin’Andriamanitra ny fanambadiana, ka novakiny ny andinin-teny toy ny Efesianina 5:28, 29 sy ny Marka 10:7-9.

Nisaintsaina izany tsara i Antonio, ka nanomboka nanenina tamin’ny fanapahan-keviny. Nanoratra tamin’ny vadiny izy, rehefa tonga tany Panama, mba hilaza fa hafarany hankany Tahiti izy sy ny zanany roa, raha vao mandray vola izy. Nanoratra fanindroany izy, ka nasainy nangataka Baiboly tany amin’ny pretra i Anna, ary hitondra izany niaraka taminy. Inona no hevitr’ilay pretra momba izany? Nilaza tamin’i Anna izy fa nisy fahavoazana ny sain’i Antonio, raha iny boky sarotra be iny no hovakiny.

Tonga teto Tahiti i Antonio, ary nanaraka azy ny fianakaviany, enim-bolana taorian’izay. Mpivavaka be i Anna, ka ny ampitson’ny nahatongavany dia nilaza tamin’i Antonio izy, fa tokony handeha hiangona izy mianakavy mba hisaotra an’Andriamanitra. “Eny àry fa handeha hiangona isika”, hoy i Antonio. Tsy nentiny tany amin’ny fiangonana katolika anefa ny fianakaviany, fa tany amin’ny Efitrano Fanjakana! Mazava ho azy fa tena gaga i Anna. Tiany anefa ilay fandaharana, ary nanaiky hianatra Baiboly izy. Tsy iza no niara-nianatra taminy fa i Lilian Selam, ilay nitory tamin’i Antonio teny ambony sambo.

Saika hijanona irery tany Tahiti nandritra ny telo taona i Antonio, kanefa lasa nipetraka tany nandritra ny 35 taona, niaraka tamin’ny vady aman-janany. Samy manompo an’i Jehovah izao i Antonio sy Anna ary ny zanany lahy efatra, ary anti-panahin’ny fiangonana i Antonio.

Fianakaviana nanitatra faritany

Efa hatramin’ny taona maro no nisy rahalahy sy anabavy maro nifindra tany amin’ireo nosy mitokana, mba hanampy any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Anisan’izany ny fianakavian-dry Mara, Haamarurai, ary Terii. Niaraka tamin’izy ireo koa i Ato Lacour, na dia tsy Vavolombelona aza ny fianakaviany. Avy eto Tahiti i Vaieretiai sy Marie-Medeleine Mara, ary nifindra tany Raïatéa, niaraka tamin’ny zanany dimy. Voatendry hankany an-toeran-kafa mantsy ilay mpivady mpisava lalana manokana tany. Anabavy roa sy mpitory tsy vita batisa vitsivitsy sisa no teo amin’ilay nosy.

Mpanao sary sokitra i Vaieretiai. Hazo no akora nampiasainy taloha, ary novany ho akorandriaka izany tatỳ aoriana. Tsy voatery nanova ny asany àry izy na dia nifindra aza. Izy irery no anti-panahy nikarakara an’ilay antoko-mpitory tany Raïatéa, ary dimy taona tatỳ aoriana vao nisy rahalahy nahafeno fepetra nanampy azy. Nifindra tany Tahaa ry Mara mianakavy tatỳ aoriana, ary nijanona tao efa-taona.

Sahirana ara-pivelomana io fianakaviana io tany amin’ireo nosy ireo. Hoy i Vaieretiai: “Tsy maintsy nankany Tahiti aho mba hivarotra ny sary sokitra nataoko. Tsy nanam-bola hatao saran-dalana aho indraindray. Nangataka tamin’ny tompon’ilay fiaramanidina kely àry aho mba hitondra ahy aloha, fa rehefa miverina aho mandoa ny saran-dalana. Tsy nanam-bola firy izahay indraindray, kanefa nanana izay tena nilaina foana.” Nisy vokany tsara teo amin’i Jeanne zanany vavy ny fahafoizan-tena nasehon’i Vaieretiai sy Marie-Medeleine. Efa 26 taona izay no nanaovan’i Jeanne fanompoana manontolo andro, ary anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Tahiti izy ankehitriny.

Nifindra tany amin’ny nosy Rurutu, ao amin’ny Vondronosy Tubuaï, i Ato Lacour sy ny fianakaviany tamin’ny 1969, ary nataony izay hamindrana ny asany tany. Vao telo taona izay no nahavita batisa azy, ary izy irery no Vavolombelona tao amin’ny fianakaviany, sy teo amin’ireo nosy. Nandeha nitory izy ny ampitson’ny nahatongavany. Izao no nosoratany tao amin’ny diariny: “Nanomboka nitory aho, nefa izaho irery. Sarotra ilay izy. Tena manjaka eto amin’ity faritra ity i Babylona Lehibe.”

Tsy ela anefa dia nisy olona liana nandray ny vaovao tsara, ary nisy antoko-mpitory niforona. Tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’i Lacour izy ireo no nivory tamin’ny voalohany. Hoy i Ato: “Nantsoin’ny olona hoe ‘fivavahan’i Lacour’ ilay antoko-mpitory nisy anay, satria fivavahana vaovao izy io teo amin’ilay nosy. ‘Tsy nitsahatra nampitombo’ anefa i Jehovah, ka lasa fiangonana ilay antoko-mpitory tamin’ny 1976.” (1 Kor. 3:6) Nodimandry tamin’ny taona 2000 ny Rahalahy Lacour. Maro tamin’ny fianakaviany anefa no nanaiky ny fivavahana marina talohan’izay, anisan’izany i Perena vadiny.

Nifindra tany Bora-Bora i Rudolphe sy Narcisse Haamarurai. Niala tamin’ilay orinasa mpamokatra herinaratra teto Tahiti i Rudolphe, na dia nanana toerana ambony aza, ary nioty voaniho sy nanamboatra diloilo coco no asany tany Bora-Bora. Izay no nataony nandritra ny roa taona. Tena nitahy azy mivady anefa i Jehovah, satria nisy fiangonana niforona teo amin’ilay nosy rehefa nandeha ny fotoana! Nivory tao an-tranon’i Haamarurai ilay fiangonana nandritra ny 25 taona mahery. Nahazo Efitrano Fanjakana vaovao teo amoron’ny farihin’i Bora-Bora izy ireo, tamin’ny taona 2000.

I Taaroa sy Catherine Terii kosa nifindra tany amin’ilay nosikely nantsoina hoe Maupiti, ao amin’ny Vondronosy Société ihany. Manan-janaka 15 izy ireo, ary mbola namelona ny 7 tamin’izy ireo. Tonga tany Maupiti izy mianakavy tamin’ny 1977, ary ry zareo irery no mpitory teo amin’ilay nosy. Nosikely manelanelana farihy sy ranomasina no nipetrahan’izy ireo. Trondro sy voaniho no tena sakafony. Nanangona hazandranomasina koa ilay fianakaviana, mba hamidy. Niampita an’ilay farihy izy ireo rehefa handeha hitory ao amin’ny nosy lehibe kokoa, ka nitandrina tsara mba tsy hanitsaka trondro misy poizina.

Voatendry ho mpisava lalana manokana tany Bora-Bora i Taaroa sy Catherine, tamin’ny 1980, ary naharitra dimy taona izany. Nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy ireo taorian’izay, nandritra ny 15 taona. Nisy mpivady nampianarin’izy ireo tena niaritra fanoherana mafy, noho ny vaovao tsara.

Vao nianatra Baiboly dia niharam-pitsapana

I Edmond (Apo) sy Vahinerii Rai no nandray ny fahamarinana voalohany tamin’ireo mpianatr’i Terii, tany Bora-Bora. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny renin’i Edmond izy mianakavy. Rehefa nianatra nandritra ny enim-bolana izy ireo, dia nampirisihin’ny pasiterany ny renin’i Edmond, mba handroaka azy ireo tao amin’ilay trano. Voatery nipetraka tao amin’ny trano bongo kely tany anaty kirihitr’ala i Edmond sy Vahinerii ary ny zanany lahy roa taona. Nandresy lahatra ny mpampiasa an’i Edmond koa ilay pasitera mba handroaka azy, ary nankany amin’ny mpampiasa hafa mihitsy izy mba tsy hanome asa an’i Edmond! Ny fanjonoana no niveloman’ilay fianakaviana nandritra ny valo volana.

Indray andro, dia nankany amin’ilay mpampiasa an’i Edmond taloha ny vehivavy iray te hanangana trano. Tena tiany ny asa nataon’i Edmond, ka izy no tiany hanao ny tranony. Nilazana anefa izy hoe voaroaka i Edmond, satria niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niteny tamin’ilay mpampiasa àry izy hoe tsy hampanao an’ilay asa izy raha tsy miara-miasa amin’izy ireo i Edmond. Vokatr’izany, dia naverina tamin’ny asany i Edmond. Tsy nasiaka intsony koa ny reniny tatỳ aoriana, ary nanasa azy mivady hiverina hipetraka tao an-tranony. Anti-panahin’ny Fiangonana Bora-Bora izao i Edmond.

Niroborobo ny fitoriana ny vaovao tsara tany Huahine

Anisan’ireo mpianatra Baiboly voalohany natao batisa teto Tahiti tamin’ny 1958, i Auguste Temanaha. Nankany Etazonia izy taorian’ny batisany, ary niverina teto Tahiti tamin’ny faramparan’ireo taona 1960, niaraka tamin’i Stella vadiny sy ny zanany telo. Nandroso be ny asa fivelomany teto. Nahazo fampirisihana tamin’ny mpiandraikitra ny faritra anefa izy, ka namidiny ny toeram-piasany, ary nanaraka ny ohatra navelan’ny fianakavian’i Mara voalaza tany aloha izy. Nifindra tany amin’ny nosy Huahine, 160 kilaometatra avy eto Tahiti, i Auguste sy ny fianakaviany, tamin’ny 1971.

Nisy anabavy iray sy olona liana vitsivitsy teo amin’ilay nosy tamin’izany. Rehefa misy mpisava lalana na mpiandraikitra ny faritra mandalo vao mba mifandray amin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo. Tena nahafaly azy ireo àry ny fahatongavan-dry Temanaha. Nandamina fivoriana avy hatrany i Auguste, ary tao an-dakoziany no nanaovana izany. Nisy 20 teo ho eo ny mpanatrika.

Tsy nahita asa i Auguste tamin’ny voalohany. Nifantoka tamin’ny fanompoana anefa izy mianakavy, sady natoky fa hanome izay ilainy i Jehovah. Izany tokoa no nitranga. Fanaon’i Auguste, ohatra, ny nametraka ny fiarany teo amin’ny faritany, rehefa nandeha nitory izy mianakavy. Matetika no feno sakafo ilay fiara rehefa niverina izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo izay nanao izany. Nihevitra izy ireo fa olona tsara fanahy mety ho nahalala ny fahasahiranany no nanome ilay izy. Izany foana no nitranga nandritra ny herinandro maromaro, mandra-pahazon’ilay fianakaviana fivelomana tsara.

Nandray tsara ny mponina tany Huahine. Be zotom-po sy niaritra ihany koa ireo fianakaviana toa an-dry Temanaha. Tsy mahagaga àry raha misy fiangonana miroborobo any an-toerana ankehitriny. Manana mpitory 1 isaky ny mponina 53 izao io nosy io. Tamin’ireo taona faramparany, dia olona 1 ao anatin’ny 12 no nanatrika ny Fahatsiarovana!

Maro ny fianakaviana Vavolombelona feno fahafoizan-tena toy izany. Nanompo nandritra ny roa taona tany amin’ny Vondronosy Marquises, ohatra, i Jean-Paul sy Christiane Lassalle, nanomboka tamin’ny 1988. Anisan’ireo mpitantana ny fiantohana ara-tsosialy teto Tahiti i Jean-Paul, kanefa niala tamin’io asa ambony io, mba hanitarana ny fanompoany. Nifindra tany Rangiroa, ao amin’ny Vondronosy Tuamotu, indray izy sy ny fianakaviany, tamin’ny 1994, ary nijanona tany telo taona. Manompo amim-pahatokiana any Frantsa i Jean-Paul ankehitriny.

Mpitantana lefitra ny fonjan’i Tahiti i Colson Deane. Rehefa nisotro ronono izy, dia nifindra tany amin’ny nosy Tubuaï, niaraka tamin’i Lina vadiny. Samy mpisava lalana izy mivady, ka tena manampy an’ilay fiangonana kely ao amin’ilay nosy, sady mbola mila anti-panahy maro io faritra io.

Fianakaviana avy any Frantsa nifindra teto Tahiti

Tonga avy any Frantsa mihitsy ny fianakaviana sasany, mba hanampy tamin’ny fitoriana. Anisan’izany i Francis sy Jeannette Sicari, ary ny zanany roa vavy, enin-taona sy sivy taona. Hoy i Francis: “Nitady fomba hanitarana ny fanompoanay foana izahay. Hitanay tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1971 fa nila mpitory tany Pasifika Atsimo.” Vonona hiatrika ilay zava-tsarotra izy ireo, na dia nisakana aza ny namana sy havana sasany. Tonga teto Papeete izy ireo tamin’ny Aprily 1972.

Anti-panahy i Francis, ka nanjary nisy fiangonana faharoa teto Tahiti, tao amin’ny tanànan’i Punaauia, noho ny fanampiany. I Jean-Pierre Francine no mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ilay fiangonana voalohany tamin’izany. Novana ho Komitin’ny Sampana ny niandraikitra ny asa tamin’ny 1976, ka izy sy Francis no voatendry ho anisan’izany teto Tahiti. Nitana io andraikitra io nandritra ny 12 taona i Francis.

Nitombina ve ny fanahian’ireo namana sy havan-dry Sicari? Hoy i Francis: “Nifanohitra tamin’izay nolazain’izy ireo no nitranga, satria nisy vokany tsara teo amin’ireo zanakay vavy ny nifindranay tatỳ. Mahatratra 105 izao ny taona laninay efa-mianaka tamin’ny fanompoana manontolo andro, raha atambatra. Nahazo fitahiana maro izahay, araka ny nampanantenain’i Jehovah.—Mal. 3:10.”

Nanao fampandrenesana tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ny sampan’i Frantsa tamin’ny 1981, ka nilaza fa nila anti-panahy ny nosin’i Mooréa, izay lalana 30 minitra amin’ny baka avy eo Papeete. Rahalahy roa, niaraka tamin’ny vadiny, no nanaiky an’ilay fanasana, ka iray tamin’izy ireo i Alain Raffaelli, niaraka tamin’i Eileen vadiny. Nanjary nisy fiangonana tao Mooréa noho ny fanampian’izy ireo. Nanompo tany nandritra ny valo taona izy mivady, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana i Alain, tamin’ny 1987 ka hatramin’ny 1994.

Nandefa fanasana ho an’ny rahalahy nisotro ronono ny sampan’i Frantsa tamin’ny 1997, mba hanompo tany amin’ireo nosy lavitra nandritra ny roa taona na mahery, satria tena nila anti-panahy ireny faritra ireny. Hoy i Gérard Balza, mpandrindra ny Komitin’ny Sampan’i Tahiti: “Mpivady roa na telo no nantenainay hamaly ilay antso. Tena gaga izahay fa mpivady 11 no nanaiky handeha! Nisy mpivady roa aza nifidy ny hijanona tany mihitsy. Tena nanampy ny mpitory teto aminay ireny rahalahy sy anabavy matotra sy za-draharaha ireny. Tsy misionera izy ireo, kanefa toy ny an’ny misionera ny fiainany sy ny zava-tsarotra hitany tany amin’ireny nosy lavitra ireny.”

Nosokafana ny sampana

Nisy fanitsiana natao tamin’ny fomba fandaminana ny asa nanerana an’i Pasifika, rehefa nandroso ny fitoriana. Ny sampan’i Aostralia aloha no nanara-maso ny asa teto Polinezia frantsay hatramin’ny 1958, fa i Fidji, izay akaiky kokoa, kosa no niandraikitra izany nanomboka teo. Nisy fiovana hafa koa tamin’ny 1975, rehefa nitsidika an’i Tahiti i Nathan Knorr sy Frederick Franz, avy any amin’ny foibe. Nanao lahateny nampahery ho an’ny mpanatrika 700 mahery izy ireo, ary nampiseho sary tsy mihetsika tamin’ny mpanatrika 500 teo ho eo ny Rahalahy Knorr, tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray.

Niresaka tamin’ny anti-panahy ny Rahalahy Knorr taorian’ilay fandaharana, ka nilaza fa tokony hasiana biraon’ny sampana eto Tahiti. Nahafaly an’ireo rahalahy izany. Notendrena ho mpiandraikitra ny sampana i Alain Jamet, mpiandraikitra ny faritra nahay niteny anglisy. Nisokatra tamin’ny 1 Aprily tamin’io taona io ny sampan’i Tahiti, ary fandrosoana lehibe izany. Marina fa akaiky kokoa noho i Aostralia i Fidji, kanefa samy tsy nampiasa teny frantsay izy ireo. Afaka mifandray akaiky sy mivantana amin’ny sampana eto aminy kosa anefa izao ireo rahalahy eto Polinezia frantsay.

Kely ihany ilay biraon’ny sampana, satria mbola latsaka ny 300 ny mpitory nanerana ilay faritra. Efitra nitambatra tamin’ny Efitrano Fanjakana tao Papeete no nisy azy io. Ny zoron-trano iray nasiana birao, ary ny ilany kosa natao fitoeran’entana. Tapa-potoana ihany ny asan’ny mpiandraikitra ny sampana tamin’izany, ka afaka nanohy ny asan’ny faritra i Alain sy Mary-Ann vadiny, sady nitory tany amin’ireo nosy lavitra tsy nisy Vavolombelona.

Fitoriana tany amin’ny Vondronosy Tuamotu sy Gambier

Rehefa nisokatra ny biraon’ny sampana teto Tahiti, dia nanaovana ezaka manokana ny fitoriana tany amin’ireo nosy lavitra. Nandamina dia manokana, ohatra, ireo rahalahy mba handehanana tany amin’ireny nosy ireny. Nitantara i Axel Chang, izay anisan’ny Komitin’ny Sampana nandritra ny fotoana kelikely, fa nisy rahalahy sy anabavy 20 nanofa fiaramanidina kely, mba hankanesana tany Rangiroa, nosy lehibe indrindra tany Tuamotu. Hoy izy: “Nitory tamin’ny rehetra teo amin’ilay nosy aloha izahay, ary avy eo nanomana toerana hanaovana lahateny ho an’ny besinimaro. Navelan’ny ben’ny tanàna hampiasa kianja mitafo iray izahay. Toa ireo mpitory ihany no ho mpanatrika an’ilay lahateny, tamin’ny voalohany! Nihevitra izahay hoe natahotra ny mpitondra fivavahana angamba ny olona. Rehefa nandeha anefa ilay lahateny, dia nanomboka tonga ny olona, ka nihafeno tsikelikely ny toerana.”

Hoy ihany ny Rahalahy Chang: “Nandritra ilay lahateny, dia hitanay nandeha bisikileta ny pretra katolika, namikiviky nanatona ilay toeram-pivoriana. Nandeha mora izy rehefa akaikikaiky, ary niezaka nitazana izay mpivavaka tao aminy nanatrika teo. Imbetsaka izy no nanao toy izany, ka nahatsikaiky ny nijery azy.”

Nandamina fitoriana nanerana an’i Gambier i Alain Raffaelli, tamin’ny 1988. Katolika ny ankamaroan’ny mponina tao amin’io vondronosy io, izay 1 600 kilaometatra mahery avy eto Tahiti. Io no kely indrindra sy lavitra indrindra amin’ireo vondronosin’i Polinezia frantsay. Tamin’ny 1979 ihany no nisy nitory tany amin’ireo nosy ireo, fony i Alain Jamet nijanona telo andro tany.

Nanatona ny ben’ny tanàna aloha ireo rahalahy, nanazava ny anton-diany, ary nangataka toerana hanaovana Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Nomen’ny ben’ny tanàna hampiasaina ny trano fanaovana mariazy, nefa niala tsiny izy fa tsy afaka hiaraka amin’ireo rahalahy hanasa ny olona, satria mbola hanao fampielezan-kevitra. Mazava ho azy fa namela azy handeha ireo rahalahy. Olona 30 no nanatrika ilay lahateny, anisan’izany ny ben’ny tanàna sy ilay zandary teo an-toerana.

Nohazavaina tao amin’ilay lahateny izay manjo ny olona rehefa maty. Nanazava i Alain fa fasana tsotra ilay afobe lazain’ny Baiboly, ary na i Jesosy aza efa tany. Niteny mafy ny mpanatrika iray hoe: “Tsy i Jesosy mihitsy no ho any amin’ny Afobe!” Naverin’i Alain ny Fanekem-pinoan’ny Apostoly, izay nilaza hoe “nidina tany amin’ny Afobe” i Kristy. Gaga ireo mpanatrika, satria tamin’izay vao tsapan’izy ireo fa namerimberina an’ireo teny ireo izy nandritra ny taona maro, nefa tsy nieritreritra ny dikany. Nandray ny fahamarinana ny fianakaviana iray nanatrika an’io fivoriana io.

Matetika ireo mpiandraikitra mpitety faritany no nanararaotra ireo herinandro tsy nitsidihany fiangonana, mba hitoriana tany amin’ny faritra tsy nisy Vavolombelona. Izany no nataon’i Mauri sy Mélanie Mercier, mpivady tahisianina. Izy ireo no nitory voalohany tany amin’ny nosy maro tao amin’ny Vondronosy Tuamotu, toa an’i Ahe, Anaa, Hao, Manihi, Takapoto, ary Takaroa. Nanao lahateny ho an’ny besinimaro i Mauri, na nampiseho sary tsy nihetsika, isaky ny afaka nanao izany. Hoy izy: “Nandray tsara ny ankamaroan’ny mponina, afa-tsy ireo tany Anaa, izay nanjakan’ny Fivavahana Katolika. Rehefa naseho tany ireo sary, dia nihorakoraka ny olona, ary ny sasany saika hamely anay. Soa ihany fa afaka nampitony azy ireo izahay.”

Tonga ny misionera

Nisy misionera maromaro avy any Frantsa nirahina tany amin’ireo nosy lavitra, nanomboka tamin’ny 1978. Tonga tamin’ny Aogositra 1978 i Michel sy Babette Muller, ary voatendry hankany Nuku Hiva, nosy lehibe sy be olona indrindra tany Marquises. Nitsidika tsindraindray an’io vondronosy nanjakan’ny Fivavahana Katolika io ireo rahalahy, saingy tsy nisy afaka nijanona ela tany. Tsy nisy ny lalana, ka nandeha an-tongotra na nitaingina soavaly i Michel sy Babette. Matetika no nanome azy ireo toerana hatoriana ny olona teo an-toerana. Natory teo ambony voan-kafe maina aza izy ireo indray mandeha!

Nijanona tany amin’ny Vondronosy Marquises ry Muller mivady nandritra ny herintaona sy tapany, ary nanao ny asan’ny faritra avy eo. Maro no nankasitraka ny fitsidihan’izy ireo, ary nandray boky sy gazety. Arivo ny isan’ny boky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly voapetrak’i Michel sy Babette, nandritra ny herintaona! Tsy ny asa tany Marquises ihany no nandroso, vokatry ny ezaka nataon’ny misionera sy mpisava lalana ary mpitory, fa ny asa nanerana an’ilay faritanin’ny sampana manontolo mihitsy. Hita tamin’ny tatitra fa in-69 nisesy no nisy tampon’isan’ny mpitory!

Mazava ho azy fa nila fampiofanana ireny mpitory vaovao ireny. Tsy ampy anefa ny rahalahy za-draharaha hampiofana azy ireny tsirairay. Samy niaraka tamin’ny mpitory roa avy, ohatra, ry Muller mivady, isaky ny nitory, mba hampiofanana ireo vaovao. Ny iray aloha miaraka amin’i Michel na Babette eo amin’ny trano itoriana, fa ny iray kosa mijanona eo amoron-dalana miandry ny anjarany. Misionera any Bénin, atsy Afrika, izao ry Muller.

‘Tena nilaina ny fahaizana Soratra Masina rehefa nitory’

Tonga teto Polinezia frantsay tamin’ny Febroary 1982 i Christian sy Juliette Belotti, misionera. Nanao ny asan’ny faritra izy ireo tamin’ny voalohany, ary avy eo nanompo manontolo andro tany amin’ny nosy Raïatéa, ka nijanona tao nandritra ny dimy taona. Lakana tsy mora mivadika ihany no tonga tany amin’ny faritra sasany tamin’io nosy io. Tsy ny fahaizana nitondra lakana ihany anefa no nilaina rehefa hitory tany, “fa ny fahaizana mampiasa Baiboly koa”, hoy i Christian. “Imbetsaka izahay no tratran’ny fanontaniana toy ny hoe: Ahoana no hahafantaran’ny voahosotra fa hankany an-danitra izy? na Inona moa ireo bibidia voalazan’ny Apokalypsy?”

Mifankahalala avokoa ny mponina ao Raïatéa, satria kely ilay faritra. Hoy i Christian: “Rehefa nisy Vavolombelona nanjary tsy nitory intsony, dia matetika ny tompon-trano no nanontany hoe: ‘Toa tsy hitahita i Anona tato ho ato. Tsy nazoto intsony angaha izy?’ Na hoe: ‘Tokony hampiana mihitsy i Anona, fa mety ho nalemy ny finoany!’ ” Tamin’ny fotoana nialan-dry Belotti tany Raïatéa, dia saika ny isaky ny fare (“trano” amin’ny teny tahisianina), no nisy olona nianatra Baiboly.

Nitory tany amin’ny nosy Maupiti koa ry Belotti, fony mbola tany Raïatéa. Nanafatra boky ho an’io nosy io izy ireo indray mandeha. Tsy tonga ara-potoana anefa ilay sambo nitondra ireo boky saika hapetraka teny am-pitoriana. Tsy kivy izy ireo fa ny bokiny manokana no nentiny nitory tamin’ny olona. Fianakaviana efa ho 30 no nanafatra an’ilay boky, ary natoky izy ireo fa ho tonga ilay izy. Olona liana no nizara ny boky tamin’ireo nanafatra, rehefa tonga ilay entana nentin’ny sambo.

Voatendry hankany Rangiroa, any amin’ny Vondronosy Tuamotu, ry Belotti taorian’izay, ary izy mivady irery no Vavolombelona teo amin’ilay faritra. Nalefa tany Guyane izy ireo tatỳ aoriana. Anisan’ny Komitin’ny Sampana any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo izao ny Rahalahy Belotti.

“I Jehovah no hampiofana anao”

Tonga avy any Frantsa i Frédéric sy Urminda Lucas tamin’ny Aprily 1985, ary voatendry hankany amin’ny nosy Tahaa. Telo monja no mpitory tany. Sarotra ny fiainan’izy ireo nandritra ilay tapa-bolana voalohany. Tao an-tranony ihany no natao ny fivoriana, ary izy mivady irery no mpanatrika. Nanao ny hiran’ilay Fanjakana izy ireo, ary nitomany, kanefa tsy nanaiky ho resin’ny hakiviana.

Tsy nisy jiro na telefaonina teo amin’ilay nosy. Nanana talkie-walkie anefa i Frédéric sy Urminda, mba hiresahany tamin’ireo misionera tany Raïatéa, rehefa tsara ny fifandraisana. Nanana vata fampangatsiahana kely koa izy ireo, ary ny gropin’ny mpifanila trano taminy no nampandeha an’ilay izy. “Tokony halefa amin’ny 6 hariva ka hatramin’ny 10 alina ilay izy, raha ny tokony ho izy”, hoy i Frédéric. “Indray mandeha anefa, dia hitanay fa lasa mafy be tao ny voatabihanay. Hay nijery baolina tamin’ny tele ilay mpifanila trano taminay, ka nalefany aloha be ny gropy.”

Tsy maintsy nianatra ny fiteny tahisianina koa ry Lucas mivady. Mazava ho azy anefa fa tsy maintsy manao diso foana ireo mianatra fiteny vaovao. Nandeha nitory isan-trano, ohatra, i Frédéric indray mandeha, ary tokony hilaza hoe varua mo’a, midika hoe “fanahy masina.” Sarotra anefa ny nanonona ny hoe mo’a, ka “fanahin’akoho” indray no voateniny.

Vao 23 taona i Frédéric ary mpanampy amin’ny fanompoana, rehefa tonga tany Tahaa. Nilaza tamin’i Alain Jamet, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana tamin’izany, izy fa tsy ampy fahaizana hiantsorohana ireo andraikitra nankinina taminy. Hoy anefa i Alain: “Aza matahotra fa i Jehovah no hampiofana anao!” Nampiofana azy tokoa i Jehovah. Voatendry hankany Burkina Faso i Frédéric sy ny vadiny, dimy taona taorian’izay. Efa lasa fiangonana ilay antoko-mpitory kely tao Tahaa tamin’izay, ary nisy mpitory 14, sady nanana Efitrano Fanjakana, ary efa anti-panahy i Frédéric.

Tena faly izy mivady, satria tsy nanaiky ho resin’ny hakiviana tamin’ny voalohany! Hoy izy ireo vao haingana: “Ireny no fotoana tsara indrindra tamin’ny fahatanoranay. Nianatra ny hanam-paharetana izahay, ary nitoky tanteraka tamin’i Jehovah, fa tsy tamin’ny fahaizanay. Ny vavaka no nampahery anay rehefa kivy izahay. Nialoka tamin’i Jehovah izahay, ary tsy nanary anay mihitsy izy. Tena nampiofana anay tokoa izy.”

Misionera mpitovo nitory tany amin’ny faritany sarotra

Nisy misionera mpitovo avy any Frantsa koa tonga teto Polinezia frantsay mba hanampy tamin’ny fitoriana. Anisan’ireo tonga voalohany i Georges Bourgeonnier sy Marc Montet. Samy nanompo tao amin’ny sampana sy nanao ny asa fitetezam-paritany izy ireo. Anisan’ny faritra notsidihin’i Marc ireo nosy tany Tubuaï, Gambier, Marquises, ary Tuamotu. Nandeha irery izy tany amin’ny ankamaroan’ireo nosikely, ary niaraka tamin’ny mpisava lalana manokana tany izy indraindray. Nanao lahateny izy isaky ny azo natao izany, ary saika ny mponina manontolo mihitsy no nanatrika izany tany amin’ny nosy sasany. Nanambady izy tatỳ aoriana, ary nanohy ny asa fitetezam-paritany nandritra ny fotoana kelikely. Any Bora-Bora izao izy sy Jessica vadiny, ary anti-panahin’ny fiangonana any i Marc, sady mpisava lalana.

Tonga avy any Frantsa koa i Philippe Couzinet sy Patrick Lemassif tamin’ny Febroary 1986. Voatendry hankany amin’ny Vondronosy Marquises izy ireo. Tsy toy ny nosy hafa eto Polinezia frantsay ireo nosy ireo, satria tsy misy harambaton’akorandriaka manodidina azy. Mitsatoka mahitsy be ao amin’ny ranomasina mangan’i Pasifika ny tehezan’ny tendrombohitra amin’ireo nosy ireo, ary midona mafy amin’ireny vato ireny ny onja mahery. Eo anelanelan’ireo tendrombohitra kosa misy lohasaha teritery nefa mahavokatra, andalovan’ny renirano sy riandrano. Tena tian’ny osy sy soavaly ary ombidia ireny toerana ireny.

Fitsidihana tsindraindray nataon’ny mpisava lalana sy mpitory no mba fitoriana natao tany Marquises, nandritra ny taona maro. Nijanona tao amin’ny nosy Nuku Hiva nandritra ny herintaona sy tapany, ohatra, ry Muller mivady, tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1979. Tsy tena nisy fitoriana voalamina tsara anefa nanerana an’ilay vondronosy. Niova izany rehefa tonga i Philippe sy Patrick. Tsy hoe nisy fandrosoana avy hatrany anefa, satria nanjaka ny Fivavahana Katolika, ary olona maro no natahotra ny pretra. Imbetsaka ireo pretra ireo no nanao zavatra hanoherana an’i Philippe sy Patrick. Nalaza koa tamin’izay ny eglizy katolika mpanao fahagagana, izay nahatonga ny olona hafana fo loatra, ka nanakorontana ny fiaraha-monina.

Niara-niasa i Patrick sy Philippe tamin’ny voalohany, ary rehefa nitory tamin’ny faritany nahazatra ihany vao nisaraka. Nifandimby izy ireo, ka ny iray nitarika fivoriana tao amin’ny tranon’ny misionera tao Hiva Oa, ary ny iray kosa nandeha sambo mba hitsidika nosy hafa nandritra ny herinandro maromaro. Hitan’izy ireo anefa tatỳ aoriana fa tsara kokoa ny nisaraka tanteraka. Nandeha tany amin’ireo nosy tany avaratra àry i Patrick, fa i Philippe kosa nitory tany atsimo.

Nandefa mpisava lalana manokana avy eto Tahiti ny sampana, mba hanampy an’ireo misionera roa lahy ireo. Anisan’ireo nirahina tamin’izany i Pascal Pater, anti-panahin’ny fiangonana ankehitriny, ary Michel Bustamante, izay lasa mpiandraikitra ny faritra. Nampiasa ny tanjaka nananany ireny tanora mahery fo ireny, mba hanompoana an’i Jehovah. (Ohab. 20:29) Tsy maintsy natanjaka tokoa izy ireo, satria tsy vitan’ny olona kely aina na saro-tahotra ny fitoriana tany amin’ny Vondronosy Marquises. Tsy nisy ny lalana, fa vatovato sy lalan-kely feno fotaka no nandehanana, ary tsy maintsy nandalo lohasaha lalina sady teritery rehefa hitsidika trano sy tanàna mitokana. Môtô kely na bisikileta misy maotera no hany fitaterana tonga tany amin’ny faritra sasany.

Nandeha bisikileta tamin’ny lalana tery i Philippe indray mandeha. Nisy fiara nanaitra ny andian’ombidia iray anefa, ka nirifatra tany amin’ny lalana nisy an’i Philippe izy ireo. Tsy afa-niala i Philippe, satria hantsana no teo amin’ny andaniny iray, ary vatolampy no teo amin’ny ilany. Ny hany azony natao dia ny nidina tamin’ny bisikiletany, ary niankina nitampify teo amin’ilay vatolampy. Nirodorodo nandalo azy ilay andian’ombidia, ka natahotra mafy izy, saingy tsy naratra.

Hoy i Michel Bustamante: “Nahafinaritra ahy ilay fanendrena, nefa nampangitakitaka koa. Raiki-tahotra izahay indraindray, indrindra rehefa nipetraka irery tany amin’ny nosy sasany. Indray mandeha, ohatra, dia nifanalavitra be tamin’ny trano nipetrahako ny faritany nitoriako. Nitady toerana hatoriana teo amin’ilay tanàna teo akaiky aho, saingy tsy nahita, ka tsy maintsy nody tany amin’ilay lohasaha lalina sy maizina nisy ahy. Efa alina anefa tamin’izay, sady lasa hoatran’ny nandondona be ireo tendrombohitra. Tadidiko fa mpilalao ody be ny olona teo amin’ilay nosy, ka nihevitra aho hoe mihaodihaody eny izao ny demonia. Raiki-tahotra tampoka aho, ka nanomboka nivavaka sy nanao hiran’ilay Fanjakana namerimberina ny anaran’i Jehovah. Tonga ihany aho tamin’ny farany, ka nakatoko ny trano, ary noraisiko ny Baiboly, dia nanomboka namaky aho. Nihatony tsikelikely aho avy eo.”

Niasa mafy nandritra ny telo taona ireo rahalahy vao nisy mpianatra Baiboly nandroso tany Marquises. Jean-Louis Peterano no anaran’ilay tovolahy. Tonga nitsidika azy ny pretra, satria nikasa “hamonjy” sy “hampiverina ilay ondry nania.” Nanizingizina ilay pretra fa anarana noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah fotsiny ilay hoe Jehovah. Notononin’i Jean-Louis taminy ny Salamo 83:18, araka ny fandikan-teny katolika iray, izay mampiasa ny anaran’Andriamanitra. Tsy nahateny ilay pretra ka lasa, ary tsy niverina intsony. Izay angamba tao Marquises vao nisy olona nampiasa Baiboly katolika mba handresen-dahatra pretra, rehefa niresaka fivavahana. Tatỳ aoriana, dia niala tamin’ilay fiangonana ny sekreteran’ny eveka katolika, ka lasa Vavolombelona.

Nitory tamin’i Jean sy Nadine Oberlin ny misionera tany Hiva Oa. Niala tany Eoropa izy mivady ireo, ary nankany Marquises, satria te hitoka-monina. Nipetraka tany amin’ny faritra tena sarotra aleha izy ireo, ary nanana fiainana tsotra, fa tsy nampiasa fitaovana maoderina. Nianatra Baiboly nandritra ny telo taona i Jean sy Nadine, ary nanova ny fiainany, ka natao batisa.

Mpitory iray monja no teo amin’ny Vondronosy Marquises, fony tonga i Philippe Couzinet sy Patrick Lemassif, tamin’ny 1986. Voatendry hankany Cameroun i Philippe, valo taona tatỳ aoriana, taorian’ny nandehanan’i Patrick. Efa nahatratra 36 ny mpitory tamin’izay, izany hoe mpitory 1 isaky ny olona 210. Telo ny isan’ny fiangonana, ka samy nisy iray avy ireo nosy lehibe: Hiva Oa, Nuku Hiva, ary Ua Pou.

Ireo misionera farany tonga teto

I Serge sy Marie-Louise Gollin no misionera farany avy any Frantsa. Tonga teto izy ireo tamin’ny Novambra 1990. Voatendry hankany Marquises koa izy ireo, ary niezaka mafy mba hampahery ireo fiangonana tany. Nianatra ny fitenin’ny mponina tany izy ireo, ary nahagaga fa voatsidik’izy ireo avokoa ny fianakaviana rehetra tao amin’ireo nosy enina nisy mponina!

Ao Hiva Oa no mipetraka izy mivady, ary i Serge irery no anti-panahy any. Mitory any amin’ny faritra hafa izy, ka anisan’izany ny nosy roa tsy nisy mpitory. Rehefa nitsidika voalohany ny nosy Fatu Hiva izy ireo, dia gaga i Serge, satria nanampy azy ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta. Taorian’ny fotoam-pivavahana, dia samy nanao fampandrenesana izy ireo, ka nanasa ny mpiangona tao aminy avy, mba hanatrika ny lahateny antsasak’adiny hataon’i Serge tao amin’ny sekoly iray. Ilay mpitondra fivavahana protestanta mihitsy no nanolo-tena handika teny rehefa nanao lahateny i Serge. Mbola tsy nahay tsara ny fiteny teo an-toerana mantsy i Serge tamin’izay.

Nosoratan’i Serge tamin’ny tabilao ireo andinin-teny mba hanampiana ny mpanatrika hanaraka tao amin’ny Baiboliny. Nanao vavaka koa izy, ary niara-namaly hoe “Amena” ny rehetra. Nametraka boky sy gazety tamin’ny fianakaviana rehetra tao Fatu Hiva izy mivady ny ampitso. Mandray azy ireo tsara foana ny olona eo amin’ilay nosy misy mponina 600 latsaka kely, rehefa mitsidika izy ireo.

Tonga hatrany am-ponja ny fahamarinana

Olona maro eto Polinezia frantsay no nahita ny fahamarinana tany am-ponja, toy ny any amin’ny firenena maro. Anisan’izany i Alexandre Tetiarahi. Naditra be izy tamin’ny fahatanorany, ka nigadra nandritra ny fito taona. Inenina izy no nitsoaka, fara fahakeliny, ka nanjary nantsoin’ny olona hoe Papillon, toa an’ilay gadra nandositra amin’ny filma malaza iray.

Niafina tany Raïatéa izy indray mandeha, ary nahita Baiboly sy ilay boky hoe “Zavatra Izay Tsy Hain’Andriamanitra Andaingana.” Nahavaky ny Baiboly iray manontolo izy, ary naveriny imbetsaka ilay boky. Resy lahatra izy hoe io no fahamarinana, ka nanomboka nanenjika azy ny feon’ny fieritreretany. Inona no nataony?

Mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay namoaka ilay boky, mihitsy i Alexandre. Nitolo-batana tany amin’ny polisy anefa izy, ka naverina tany amin’ny fonjan’i Tahiti. I Colson Deane no mpiambina ny fonja tao. Rehefa tonga kelikely i Alexandre, dia reny ny fitoriana nataon’i Colson tamin’ny mpiara-miasa taminy, ka fantany ilay fampianarana. Niresaka nitokana tamin’i Colson àry izy, ary nangataka ny hampianarina.

Navelan’ny tompon’andraikitra hiara-mianatra tamin’i Alexandre tao amin’ny efitra figadrany, ny Rahalahy Deane. Nisy voafonja maro hafa naniry hianatra. Navela hampianatra azy ireo koa i Colson nandritra ny fiatoana tamin’ny antoandro. Nisy anti-panahy roa nirahina tatỳ aoriana, mba hitarika ny fampianarana. Voafonja 30 ka hatramin’ny 50 teo ho eo no nanatrika fiaraha-midinika ara-baiboly isan-kerinandro, ary nianatra Baiboly nitokana avy eo ireo naniry izany. Nitohy nandritra ny taona maro izany, hatramin’izao.

Nanao fandrosoana haingana i Alexandre, ary voamariky ny tompon’andraikitry ny fonja izany. Nomen’izy ireo alalana àry io gadra mpandositra taloha io, mba hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany, teo ambany fanaraha-mason’ny Rahalahy Deane. Natao batisa tany i Alexandre, ary nanohy hatrany ny fanompoana an’i Jehovah, taorian’ny nivoahany ny fonja.

Fivoriambe iraisam-pirenena teto Tahiti

Tamin’ny 1969 no nisy fivoriambe iraisam-pirenena voalohany teto Tahiti. Mbola 124 monja ny mpitory teo amin’ireo nosy tamin’izany fotoana izany. Tena faly àry izy ireo nandray solontena 210, avy any amin’ny tany 16. Nitsidika azy ireo tamin’izany i Frederick Franz, ka tamin’izay vao nisy rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tonga teto Tahiti. Nahatratra 610 ny mpanatrika ilay fivoriambe. Nanome hery an’ireo rahalahy izany, ka nisy fitomboana 15 isan-jato ny isan’ny mpitory ny taona nanaraka. Natao tany Tahiti koa ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Finoana Mandresy” tamin’ny 1978. Nahatratra 985 ny mpanatrika tamin’izay!

Fandikan-teny amin’ny fiteny tahisianina

Nihamaro ny isan’ny mpitory, ka nitombo ny asan’ny sampana, indrindra fa ny asa fandikan-teny ho amin’ny fiteny tahisianina, izay fiteny ofisialy eto Polinezia. Efa nisy mpitory tranainy, izay nahay tsara ny teny tahisianina, nandika teny tapa-potoana avy tamin’ny teny frantsay, talohan’ny nisokafan’ny sampana. Nandika Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, ohatra, izy ireo nanomboka tamin’ny 1963. Vitan’izy ireo koa ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ny 1971.

Nandroso ny fandikan-teny rehefa nisokatra ny sampana tamin’ny 1975. Nahay ny fiteny anglisy ireo mpandika teny vaovao, satria nampianarina tany an-tsekoly izany. Nandika mivantana avy tamin’ny teny anglisy àry izy ireo, fa tsy avy tamin’ny teny frantsay intsony. Navoaka tamin’ny fiteny tahisianina indroa isam-bolana Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1976, ary nadika koa ny Mifohaza! nandritra ny fotoana kelikely. Nadika ihany koa ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, sy Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, ary ny fihirana. Ny Vavolombelon’i Jehovah no fikambanana namoaka boky betsaka indrindra tamin’ny fiteny tahisianina!

Nandritra ireo 30 taona farany anefa, dia nanjary tsy be mpampiasa intsony ny fiteny tahisianina sy ny fiteny polinezianina hafa, fa nahazo vahana tsikelikely ny teny frantsay. Anisan’ny nahatonga izany ny fananan’ny teny frantsay voambolana betsaka, ka io no teny ampiasain’ny fampitam-baovao sy ny fampianarana hatreny amin’ny oniversite.

Maro anefa ny Polinezianina mihevitra fa anisan’ny mampiavaka ny fireneny ny fiteny tahisianina, ka matetika ireo rahalahy no mampiasa io fiteny io rehefa mitory. Misy fiangonana 26 izao manerana ilay faritanin’ny sampana, ary mampiasa fiteny tahisianina ny 5 amin’izy ireo, izany hoe ny 20 isan-jaton’ny mpitory. Mbola maro àry ny boky sy gazety ilaina amin’io fiteny io.

Tetikasa fanorenana lehibe

Ilay efitra kely nifanila tamin’ny Efitrano Fanjakana tao Papeete no natao biraon’ny sampana tamin’ny 1975 ka hatramin’ny 1983. Tamin’ny 1983 mantsy no vita ny biraon’ny sampana vaovao, tao amin’ny tanànan’i Paea, 25 kilaometatra avy eo Papeete. Rahalahy avy eto an-toerana ihany no nanorina azy io. Nisy efitra efatra ho an’ny mpianakavin’ny Betela izy io, sady nisy birao telo sy fanatobiana entana iray ary Efitrano Fanjakana iray. I Lloyd Barry, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no nitokana azy io, tamin’ny 15 Aprily 1983, ary nisy 700 ny mpanatrika.

Nanjary tsy ampy koa anefa io biraon’ny sampana io tatỳ aoriana. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny hanorenana trano lehibe kokoa, misy Efitrano Fivoriambe. Tany Toahotu no nasiana azy io, eo amin’ilay faritra kely somary ambanivohitra, mampitohy ny tapany avaratra sy atsimo amin’i Tahiti. Rahalahy avy any Aostralia, Etazonia, Frantsa, Kanada ary Nouvelle-Zélande no nanampy tamin’io tetikasa io. Mazava ho azy fa tena nandray anjara koa ireo mpitory teto an-toerana. Ny Rahalahy Milton Henschel, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nitokana azy io tamin’ny 11 Desambra 1993.

Nisy tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana maro koa natao tamin’izay. Nanorina efitrano 16 ireo rahalahy tao anatin’ny folo taona latsaka, ary ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana no niandraikitra izany. Fiangonana maro àry ankehitriny no manana Efitrano Fanjakana manokana.

Fandaharana vaovao tao amin’ny sampana sy fampiofanana fanampiny

I Alain Jamet no mpandrindra ny Komitin’ny Sampana nandritra ny 20 taona teo ho eo. Tsy afaka nanohy an’io asa io intsony anefa izy tamin’ny 1995, noho ny andraikitra ara-pianakaviana. Mbola anisan’ny Komitin’ny Sampana ihany anefa izy, ary manao ny asan’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra koa indraindray. Tamin’ny Septambra 1995 àry, dia notendren’ny Filan-kevi-pitantanana hankany Tahiti i Gérard sy Dominique Balza, avy ao amin’ny Betelan’i Frantsa. Voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampana i Gérard.

I Luc Granger no rahalahy fahatelo anisan’ny Komitin’ny Sampana. Nifindra teto Tahiti izy sy Rébecca vadiny tamin’ny 1991, mba hanompo tany amin’ny faritra nila mpitory maro kokoa. Nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana izy ireo nandritra ny fotoana kelikely, ary nanao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra nandritra ny efa-taona, talohan’ny niantsoana azy ireo hanompo tany amin’ny sampana, tamin’ny 1995.

Tamin’ny Mey 1997 no nisy Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany, tao amin’ny sampan’i Tahiti. Nahazo tombontsoam-panompoana manokana ny ankamaroan’ireo mpianatra 20. Iray amin’ireo mpiandraikitra ny faritra roa eto, ohatra, i Félix Temarii. Hoy i Gérard Balza: “Mivavaka izahay mba hisy rahalahy maro kokoa hahafeno fepetra, mba hisian’ny sekoly faharoa. Tena mila fanampiana ny fitoriana any amin’ny nosy maro, satria tsy misy mpitory ny ankamaroan’izy ireny hatramin’izao. Mila rahalahy mahafeno fepetra koa ny nosy sasany, mba hiandraikitra ny fiangonana. Mahalana vao mandre ny vaovao tsara ny 7 isan-jaton’ny mponina, izay mipetraka any amin’ny nosy 58. Afaka manampy indraindray ireo mpivady matotra efa misotro ronono, mizaka ny zom-pirenena frantsay. Raha misy mpivady toy izany afaka manampy anay, na dia mandritra ny roa taona monja aza, dia manorata atỳ amin’ny sampana.”

Zava-tsarotra entin’ny fandrosoana

Niavaka ny fandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy teto Tahiti. Nanjary nihamaro àry ny olona niala tany amin’ireo nosy, ka nifindra monina teto Tahiti. Lasa tia vola sy nangoron-karena ary nitady fahafinaretana ny olona, noho ilay fandrosoana ara-toe-karena.

Mampalahelo fa nisy mpanompon’i Jehovah voafandrik’ireny fakam-panahy an-kolaka ireny. Ny tanora indrindra no tena misetra olana, satria sarotra amin’izy ireo ny mikatsaka hatrany ilay Fanjakana aloha, sy miezaka ho madio fitondran-tena hatrany. Nitahy ny asa foana anefa i Jehovah, satria olona 1 ao anatin’ny 141 izao no mpitory ny vaovao tsara eo amin’ilay faritany.

Manaporofo izany fa Polinezianina maro no nanjary nahita paradisa tsara lavitra noho izay hita eo amin’ilay tany. Izany dia paradisa ara-panahy, misy ilay vahoaka mitondra ny anaran’Andriamanitra. (Jaona 6:44; Asa. 15:14) Santatr’ilay paradisa an-tany ho avy izy io, rehefa tsy hisy intsony ny zavatra mampahory ny taranak’olombelona rehetra, toy ny fitarainana sy ny alahelo ary na ny fahafatesana aza.—Joba 14:1; Apok. 21:3, 4.

Be herim-po ireo tantsambo polinezianina fahiny, izay nino fa nisy tany tsara tarehy tany afovoan’ny ranomasina lavitra. Ary tsy diso fanantenana izy ireo. Toa azy ireo koa ny mpanompon’i Jehovah mahatoky ankehitriny, voalaza tato amin’ity fitantarana ity. Miady mafy izy ireo mba hahazoana ilay valisoa tsara lavitra ampanantenain’i Jehovah. Tsy ho diso fanantenana koa izy ireo. Ny kintana no nitari-dalana ireo tantsambo fahiny rehefa nitady tany vaovao. I Jehovah kosa no hitarika an’ireo mitoky aminy, ho ao amin’ilay Paradisa an-tany efa tsy lavitra intsony.—Sal. 73:23, 24; Lioka 23:43.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mahafaoka an’i Polinezia frantsay manontolo ity fitantarana ity, kanefa “Tahiti” no lohateniny, satria ao no foiben’ny fandraharahana rehetra eo amin’ilay faritra, sady fantatry ny olona kokoa io anarana io. Ilay nosy ihany anefa no hantsoina hoe “Tahiti” ato amin’ity fitantarana ity.

^ feh. 54 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2003, pejy 26-29, mba hahalalana ny tantaran’ny Baiboly tahisianina.

[Efajoro, pejy 72]

Indray Mitopy Maso An’i Polinezia Frantsay

Ilay tany: Velaran-dranomasina dimy tapitrisa kilaometatra toradroa no misy an’i Polinezia frantsay. Nosy 130 no ao aminy, ary 4 000 kilaometatra toradroa ny velaran-taniny. Mizara ho vondronosy dimy ilay tany: Tubuaï (Australes), Gambier, Marquises, Société, ary Tuamotu. Ao amin’ireo nosy 14 any amin’ny Vondronosy Société no mipetraka ny 85 isan-jaton’ny mponin’i Polinezia frantsay.

Mponina: Polinezianina na metisy polinezianina ny ankamaroan’ny mponina, nefa misy vitsivitsy ihany ny Sinoa sy Eoropeanina ary Amerikanina.

Fiteny: Ny teny frantsay sy tahisianina no tena fampiasan’ny olona, ka ny teny frantsay no ampiasaina amin’ny raharaham-panjakana sy ny varotra.

Fivelomana: Ireo fandraharahana isan-karazany no tena andry iankinan’ny toe-karena, ka anisan’izany ny fizahan-tany. Manampy izany koa ny fambolena sy fiompiana, orinasa, ary ny famokarana perla. Perla avokoa ny 80 isan-jaton’ny entana aondrana.

Sakafo: Hafarana avy any ivelany ny ankamaroan’ny sakafon’ny mponina. Vokarina eto an-toerana kosa ny akondro, mangahazo, voaniho, salady, papay, mananasy, saonjo, voatabiha, ary pasteky. Anisan’ny laoka misy eto ny trondro, masajy (huîtres), patsabe, henan’omby, henan’osy, ary henan-kisoa.

Toetrandro: Mafana sy be orana ilay faritra amin’ny ankapobeny, kanefa samy manana ny toetany mampiavaka azy kely ireo vondronosy. Manomboka amin’ny Novambra ka hatramin’ny Aprily ny fahavaratra. Mahatratra sivy metatra eo ho eo ny rotsakorana any Tahiti afovoany mandritra ny taona.

[Efajoro/Sary, pejy 74]

Nosy Avo sy Iva ary Motu

Avy amin’ny volkano avokoa ireo nosin’i Polinezia frantsay. Misy karazany roa izy ireo, dia ny nosy avo sy ny nosy iva. Mikitoantoana sady be tendrombohitra ireo nosy avo, ary misy mahatratra an’arivony metatra ambonin’ny ranomasina. Anisan’ireny nosy avo ireny i Tahiti.

Misy harambaton’akorandriaka avokoa manodidina ireo nosy avo, afa-tsy i Marquises. Ahitana nosy kely rakotra zavamaniry ny ankamaroan’ireo harambato, toy ilay manodidina an’i Bora-Bora. Mahaliana ny olona ny mitsidika ireny nosy kely antsoina hoe motu ireny.

Ny nosy iva kosa dia harambaton’akorandriaka tsy mahatratra afa-tsy metatra vitsivitsy ambonin’ny ranomasina. Somary miendrika faribolana izy ireo, ary misy rano madio mangarahara eo afovoany. Toy izany ny endrik’ireo nosy any Tuamotu. Tena lehibe indraindray ny rano eo afovoan’ireny nosy iva ireny. Mahatratra 70 kilaometatra, ohatra, ny halavan’ilay farihy any Rangiroa, ary 20 kilaometatra ny lehibe indrindra amin’ny sakany.

[Efajoro/Sary, pejy 77]

Diakônina Lasa Vavolombelon’i Jehovah

Manuari Tefaatau

Teraka: 1913

Batisa: 1959

Tantarany: Diakônina tao amin’ny fiangonana protestanta, ary nianatra ny fahamarinana tamin’ireo mpianatra Baiboly voalohany tany amin’ny nosy Makatéa.

Tonga teto Makatéa i Jean-Marie sy Jeanne Félix tamin’ny 1956, ary i Maui Piirai sy Germaine Amaru no mpianatra Baibolin’izy ireo voalohany. Ireo mpianany ireo no nitory tamiko. Nanomboka niresaka ny fahamarinana tamin’ny mpiangona hafa àry aho, ary niteraka resa-be tao am-piangonana izany. Nilaza tamiko mihitsy aza ilay pasitera fa tsy mila miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony aho.

Nametra-pialana tao amin’ilay fiangonana avy hatrany aho, ary nanomboka nivory tany an-tranon-dry Félix. Nisy mpiara-miangona tamiko koa nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana. Tena faly aho satria anisan’ilay antokona mpianatra Baiboly voalohany teto Polinezia.

[Efajoro/Sary, pejy 83, 84]

Nameno ny Banga teo Amin’ny Fiainako i Jehovah

Leonard (Len) Helberg

Teraka: 1930

Batisa: 1951

Tantarany: Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tamin’izy mbola tsy nanambady, ary nanomboka ny asa fitoriana tany Tahiti. Any Aostralia izao izy sy Rita vadiny.

Notendren’ny sampan’i Aostralia hanao ny asan’ny faritra tany Pasifika Atsimo aho tamin’ny 1955. Antoko-mpitory enina sy fiangonana roa monja no nisy tao amin’io faritany midadasika io tamin’izany fotoana izany, ka ny iray tany Fidji, ary ny iray tany Samoa. Tsy nisy mpitory kosa tany Tahiti.

Natokako hitsidihana voalohany an’i Tahiti ny volana Desambra 1956. Sambo mpitatitra olona nantsoina hoe Vokovokon’ny Tatsimo no nitondra ahy avy any Fidji nankeo amin’ilay nosy, ary naharitra enina andro ilay dia. Nahita trano hipetrahana aho, ary tazana tsara avy teo ny seranan’i Papeete. Rehefa niomana hitory aho ny ampitso maraina, dia tazako teo amin’ny varavarankely ilay sambo Vokovokon’ny Tatsimo, izay nandalo tsy lavitra ny trano nisy ahy. Tsy nana-namana mihitsy aho teo amin’ilay toerana, ary tany amin’ny 3 000 kilaometatra vao nisy rahalahy. Olona miteny vahiny avokoa no nanodidina ahy, satria frantsay ny fitenin’izy ireo. Adiresin’olona iray nanao famandrihana ny gazety Mifohaza! no mba nananako.

Nahatsiaro ho nanirery tampoka aho, ka nalahelo mafy, ary nigogogogo nitomany. Tsy nety nijanona mihitsy ny ranomasoko, ka nanapa-kevitra aho hoe: ‘Aleo aloha hiverina any am-pandriana, fa rahampitso indray mandeha.’ Nivavaka mafy aho ny alin’iny, ka velombelona ny ampitso maraina. Hitako ilay olona nanao famandrihana ny harivan’iny. Vehivavy avy any Alzeria ilay izy. Nandray ahy tsara izy sy ny zanany lahy 34 taona. Niangavy ahy mafy izy ireo mba hiara-mipetraka aminy, toy ny nataon’i Lydia, izay voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly. (Asa. 16:15) Tsy nahatsiaro ho nanirery intsony aho! Nisaotra an’i Jehovah aho, satria nihaino izy rehefa nivavaka mafy tamin-dranomaso aho.

Rehefa mahatsiaro an’ireny zava-nitranga ireny aho, dia tena tsapako hoe Ray be fitiavana tokoa i Jehovah! Mameno izay banga eo amin’ny fiainantsika izy, rehefa vonona hanompo azy isika.

[Efajoro/Sary, pejy 87, 88]

Ireo Anisan’ny Mpisava Lalana Voalohany

Alexis Tinorua: Nanatrika ireo fivoriana nalamin’i Len Helberg izy, tamin’ny faramparan’ireo taona 1950. Hoy i Alexis: “Niresaka foto-kevitra ara-baiboly tamin’ny diakônina protestanta maromaro ny Rahalahy Helberg, ary nanatrika teo koa aho. Fantatro avy hatrany fa ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny fahamarinana, ka nanomboka nianatra Baiboly tamin’izy ireo aho. Natao batisa aho tamin’ny 1960. Nanao ny asan’ny mpisava lalana aho nandritra ny sivy taona. Faly koa aho nanokatra faritany tany Huahine, ao amin’ny vondronosy Société, tamin’ny 1965. Tena velom-pisaorana an’i Jehovah aho, satria afaka nanampy olona 80 hahita ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.” Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana i Alexis mandra-pahafatiny tamin’ny Mey 2002.

Hélène Mapu: Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tany Tahiti izy, tamin’ny 1963, taoriana kelin’ny nahitany ny fahamarinana. Tena nanohana azy ny vadiny, na dia tsy Vavolombelona aza. Mivezivezy mandeha sambo mankany Tahiti sy Raïatéa ny vadin’i Hélène noho ny asany. Tsy nisakana àry izy rehefa nasaina hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Raïatéa i Hélène, ka nanokatra faritany tany. Rehefa niverina teto Tahiti i Hélène, dia nankany amin’ny saikinosy Tahiti Iti. Izy sy ny anabavy Mereani Tefaaroa ihany no Vavolombelona teo amin’ilay faritra. Hoy i Hélène: “Maro be ny olona liana teo amin’ilay saikinosy, ka vetivety dia nahazo fampianarana Baiboly be dia be izahay.”

Tena notahin’i Jehovah ireo anabavy ireo, satria nanjary nisy fiangonana teo amin’ilay faritra, tao amin’ny tanànan’i Vairao.

[Efajoro/Sary, pejy 101]

“Fidio Izay Tianao: Na Izaho na Jehovah”

Yvette Gillot

Teraka: 1932

Batisa: 1968

Tantarany: Mpisava lalana maharitra nanompo ela indrindra teto Polinezia frantsay.

Nolazaiko tamin’ny vadiko fa naniry ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nandrahona ahy izy hoe: “Fidio izay tianao: Na izaho na Jehovah.” Niezaka nampisaintsaina azy aho, nefa tsy nisy vokany. Nandao anay efa-mianaka izy. Niverina ihany anefa izy rehefa afaka taona maro.

Afaka namelona ny ankohonako aho, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Niasa vao maraina be aho, ary nitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana avy eo. Zato teo ho eo monja ny mpitory teo amin’ireo nosy tamin’ny faramparan’ireo taona 1960, ary vitsy kely ny anadahy.

Misaotra an’i Jehovah aho, satria afaka nanampy olona 50 hanolo-tena ho azy. Anisan’izy ireny i Richard Wong Foo, miasa ao amin’ny Betelan’i Tahiti nanomboka tamin’ny 1991. Faly koa aho fa anti-panahin’ny fiangonana izao ireo zanako lahy roa.

[Efajoro/Sary, pejy 105]

Fandevenana ny Andriambavy Farany

Tojo zavatra hafakely i Michel Gelas, anti-panahy tao Papeete, tamin’ny 1976. Nodimandry teo amin’ny faha-89 taonany ny Andriambavy Takau Pomaré, izay farany tamin’ireo fianakavian’ny mpanjakan’i Tahiti. Anisan’ny tarana-mpanjaka Pomaré, nitondra teto Tahiti sy ny nosy maro hafa, io andriambavy io. Vavolombelon’i Jehovah ny zanany vavy, izay natsangany. Izy io no nangataka an’i Michel mba hanao lahatenim-pandevenana, na dia tsy Vavolombelona aza ilay andriambavy.

Nanaiky i Michel, satria fantany fa fotoana mety tsara io mba hanazavana momba ny fitsanganana amin’ny maty amin’olona maro, toy ny manam-pahefana ara-politika sy ara-pivavahana ary ny mpanao gazety. Ny ampitson’iny, dia nivoaka tamin’ny gazety teo an-toerana ny sarin’ny Rahalahy Gelas, nanao lahateny teo anoloan’ny vatam-paty. Anisan’ireo mpanatrika ny governora, ny filoham-pirenen’i Polinezia sy ny olo-manan-kaja hafa, ary ny arseveka katolika, nanao akanjo fotsy lava.

[Efajoro/Sary, pejy 109, 110]

Ny Mpitondra Fivavahana Iray Nampindrana Môtô Anay; ny Iray Nandoro ny Bokinay

Jacques Inaudi

Teraka: 1944

Batisa: 1965

Tantarany: Nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Frantsa, niaraka tamin’i Paulette vadiny, ary nanao ny asan’ny faritra tany Pasifika.

Tamin’ny 1969 izahay sy Paulette no nandao ny fianakavianay sy ny namanay, ary nandray sambo hamonjy an’i Tahiti, faritaninay vaovao. Vao mainka nampitaintaina ilay dianay rehefa nirehitra teny afovoan’i Pasifika ny sambo nitondra anay, ka navezivezin’ny rano teny izahay nandritra ny efatra andro! Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho rehefa tonga teto Tahiti.

I Nouvelle-Calédonie sy Vanuatu ary Polinezia frantsay no faritany niandraiketanay. Fiangonana iray sy antoko-mpitory roa no nisy nanerana an’i Polinezia frantsay tamin’izay. Nanjary i Polinezia frantsay irery ny faritaninay tamin’ny 1971, ka afaka nitsidika nosy maro kokoa izahay. Mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara mihitsy ny nosy sasany. Nijanona tany Huahine nandritra ny sivy volana koa izahay mivady, ary nijanona kelikely tao Maupiti. Nanomboka fampianarana Baiboly 44 izahay tany Huahine.

Nitifitra trondro aho matetika mba hataonay sakafo. Tsy nanam-bola izahay, nefa tsy maty noana, fa nahazo izay nilainay foana. Gaga sady faly izahay rehefa nitory tany amin’ny nosin’i Tubuaï, satria nampindrana môtô anay ny pasitera iray. Angamba nalahelo anay izy, satria nandeha an-tongotra izahay.

Nosy efatra no notsidihinay tao amin’ny Vondronosy Marquises, tamin’ny 1974, dia i Hiva Oa, Nuku Hiva, Ua Huka, ary Ua Pou. Nasain’ny sampana notsidihinay i Kalina Tom Sing Vien, ilay hany Vavolombelona tany Ua Pou. Mpitsabo mpanampy io anabavy io, ary nifindra tany tamin’ny 1973. Herintaona sy iray volana no nijanonany tany, ary izy no mpitory voalohany namerina tatitra avy tao amin’ny Vondronosy Marquises.

Tsy tsara fanahy toa an’ilay pasitera tao Tubuaï ilay pretra tao Ua Pou, satria nanohitra ny asanay. Nanaraka anay mangingina tany amin’izay nitorianay rehetra izy, ary nanangona ny boky sy gazety rehetra napetrakay tamin’ireo mpivavaka tao aminy. Nodorany teo anoloan’ny tranon’i Kalina ireo boky sy gazety. Tsy izahay ihany no tezitra tamin’ny zavatra nataony, fa nisy Katolika maro koa!

Nandroso ny asa tany Marquises na dia nisy nanohitra aza, ary tombontsoa ho anay ny nandray anjara kely tamin’izany. Nijanona tamin’ny fanompoana manontolo andro izahay, satria tsy salama i Paulette. Tapa-kevitra ny hanao araka izay fara herinay anefa izahay amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 113]

Nitsidika Nosy Voalohany

Eritrereto hoe vao voalohany ianao no tonga eo amin’ny nosy mitokana iray. Mikasa hijanona herinandro na tapa-bolana ao ianao mba hitory amin’ny olona. Ianao irery anefa no Vavolombelona eo amin’ilay nosy, ary tsy misy na trano hipetrahana na fitaterana. Inona no hataonao? Aiza ianao no hipetraka? Efa imbetsaka izany no nitranga tamin’i Marc Montet sy Jacques Inaudi, izay efa nanao ny asan’ny mpisava lalana sy ny asan’ny faritra.

Hoy i Marc: “Mitory avy hatrany aho raha vao tafidina ny sambo na ny fiaramanidina, ary manontany toerana azo ipetrahana. Tsy mora ho an’ny lehilahy tsy manambady ny nahita trano, nefa nisy ihany nanome ahy fandriana sy sakafo. Mora kokoa ny nahita trano, rehefa niverimberina teo amin’ilay toerana aho, satria efa nahalala ahy ny olona. Vao mainka tsotra izany rehefa nanambady aho, satria tsy mihafahafa kokoa ny olona raha efa manambady ianao.”

Nanazava izay nataony i Jacques hoe: “Matetika aho no nankany amin’ny ben’ny tanàna, ka nanontany azy raha nisy olona fantany afaka nampiantrano ahy nandritra ny fotoana hijanonako. Izy no nanoro ahy izay tokony haleha. Olona any amin’ny nosy maro no manaja sy manampy rehefa heveriny fa olon’Andriamanitra ianao. Matetika aho no nahazo trano hipetrahana maimaim-poana.”

[Efajoro/Sary, pejy 117, 118]

Ny Fanompoana eny Amin’ny Saha no Mahafaly Anay Indrindra

Alain Jamet

Teraka: 1946

Batisa: 1969

Tantarany: Nanao fanompoana manontolo andro isan-karazany niaraka tamin’i Mary-Ann vadiny, tany Frantsa sy teto Polinezia frantsay.

Niala tany Frantsa ny fianakavianay fony aho 13 taona, ary nifindra teto Tahiti. Rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise, dia niverina tany Frantsa aho, ka nandalina momba ny fitsaboana. Tany no nahitako an’i Mary-Ann, mpianatra momba ny zavamananaina, avy eto Tahiti, ary nivady izahay. Nitsidika anay ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1968, ka nahita ny fahamarinana izahay.

Nitory tamin’ny ray aman-dreninay izahay, nefa tsy liana izy ireo. Nanoratra tamin’ny eglizin’i Tahiti nisy anay taloha koa izahay, mba hamonoana ny anaranay tao amin’ny firaketan’izy ireo. Ny paroasin’i Papeete nisy an’i Mary-Ann aza nilaza ampahibemaso ny fandroahana azy mihitsy, ary nantsoin’ilay pretra hanatrika izany ny ray aman-dreniny.

Natao batisa izahay tamin’ny 1969, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana. Tsy nanaiky hanao raharaha miaramila aho tany Marseille, any Frantsa, ka nigadra nandritra ny roa volana. Rehefa afaka aho, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tany Marseille sy Bordeaux izahay mivady. Niverina teto Tahiti izahay tamin’ny 1973, noho ny fangatahan’ny ray aman-dreninay be taona, ka niasa manontolo andro, nampianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra nandritra ny herintaona.

Nanontany anay avy eo ny sampan’i Fidji raha afaka nanao fanompoana manontolo andro indray izahay, satria nila mpiandraikitra ny faritra i Polinezia frantsay sy Nouvelle-Calédonie. Efa afaka ny fahasahiranan’ny ray aman-dreninay, ka nanaiky an’ilay fanasana izahay, ary nanomboka ny asan’ny faritra tamin’ny Aogositra 1974. Nasaina ho mpiandraikitra ny sampana voalohany aho, rehefa nitsidika an’i Tahiti ny Rahalahy Knorr, tamin’ny 1975.

Teraka tamin’ny 1986 i Rauma, zanakay lahy, ka nitsahatra tsy nanao ny fanompoana manontolo andro ny vadiko. Faly izahay, satria manompo an’i Jehovah koa izao i Rauma zanakay. Rehefa mandinika ny lasa izahay, dia tena mankasitraka ny tombontsoam-panompoana maro nanananay. Mbola ny fanompoana eny amin’ny saha anefa no mahafaly anay indrindra.

[Efajoro/Sary, pejy 123-125]

Miahy ny Ondriny i Jehovah

Michel Bustamante

Teraka: 1966

Batisa: 1987

Tantarany: Iray amin’ireo mpiandraikitra ny faritra roa eto Polinezia frantsay; miara-manompo amin’i Sandra vadiny.

Mitovy halehibe amin’i Eoropa ny faritra iandraiketanay, satria tsidihinay avokoa ireo vondronosy dimy. Mety ho mpitory iray na roa monja no any amin’ny nosy lavitra sasany. Mitsidika azy ihany anefa izahay, na mitokana aza izy ireo. Mipetraka any Takapoto, ao amin’ny Vondronosy Tuamotu, ohatra, i Rosita. Manomana ny fivoriana rehetra isan-kerinandro io anabavy mahatoky io, ary matetika no miaraka aminy ny vadiny, izay tsy Vavolombelona. Mandeha milomano na manjono ny ankamaroan’ny olona isan’alahady, fa i Rosita kosa manao ny akanjo fitondra mivory, ary mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ilay herinandro. Mamerina tatitra tsy tapaka koa izy. Ny azy matetika no tatitra voaray voalohany, satria ampitainy an-telefaonina any amin’ny sampana ilay izy! Tena mendri-piderana izany, satria tsy mahita telefaonina izy raha tsy mandeha sambo mandritra ny adiny iray latsaka fahefany, avy eo amin’ny nosy misy azy.

Zavatra miavaka ny fahatongavan’ny fiaramanidina eo amin’ilay toerana. Saika ny mponina rehetra eo akaikin’ilay seranana no mijery ny mpandeha midina an’ilay fiaramanidina, rehefa tonga hitsidika an’io anabavinay io izahay. Nisy ramatoa nanontany an’i Rosita hoe: “Iza no tsenainao?” Dia namaly izy hoe: “Ny anadahy sy rahavaviko ara-panahy. Tonga mba hampahery ahy izy ireo.” Mijanona mandritra ny telo andro izahay, ka miara-mitory amin’i Rosita sy mampahery azy. Aorian’ny misasakalina izahay matetika vao matory, satria tena tiany ny miaraka amin’ny Kristianina hafa.

Tany amin’ny nosy iray hafa, dia nahita anay nitsidika Vavolombelona nifanila trano taminy ny Advantista iray. Hoy izy tamin’ilay rahalahy: “Efa fito taona no nipetrahako teto, fa mbola tsy nisy mpiara-mivavaka tamiko tonga mba hampahery ahy.” Izy no pasiteran’ilay antokona Advantista vitsivitsy eo amin’ilay nosy, na dia tsy nahazo fiofanana aza.

I Daniel sy Doris ihany no mpitory any Raevavae, ao amin’ny Vondronosy Tubuaï. Mipetraka any amin’ny faritra tena mitokana izy ireo. Nony hitanay izy ireo tamin’ny farany, dia nanontanianay raha azo natao ny nandamina fivoriana tao an-tranon’izy ireo, tamin’iny tolakandro iny. Tena nahafaly azy ireo izany, ka nandeha nanasa ny olona izahay. Efa nisy mpamboly fito vao avy niasa niandry teo ivelan’ny trano, rehefa tonga handamina an’ilay fivoriana izahay. Nilanja sobika feno saonjo ny sasany tamin’izy ireo.

Nilaza izahay hoe: “Tsy mampaninona izay fitafianareo, fa mandrosoa.” Niditra izy ireo, saingy nipetraka tamin’ny tany fa tsy teo amin’ny seza natao ho azy ireo. Liana tamin’ilay fivoriana izy ireo, ary nametraka fanontaniana maro. Mazava ho azy fa ireo rahalahy sy anabavinay no tena nahazo fampaherezana indrindra, ary izany koa no tena anton’ny fitsidihanay.

Sarotra ny mitsidika mpitory mitokana sasany, satria tsy eo amin’ilay nosy misy azy ireo ny seranam-piaramanidina. Indray mandeha, dia tsy maintsy nandeha sambokely nandritra ny adiny roa izahay, rehefa niala teo amin’ny seranam-piaramanidina, mba hankanesana tany amin’ny nosy nisy mpitory roa. Tsy nisy tafo ilay sambokely, ary nirefy efatra metatra. Mazava ho azy fa efa nanadihady tsara izahay raha afaka mandeha amin’ny ranomasina ilay sambo. Nanontany koa izahay raha nitondra maotera fiandry ilay mpamily. Tsy hahafinaritra mihitsy mantsy ny ho very eny afovoan’ny Oseana Pasifika, raha tsy hilaza afa-tsy izay!

Kotsan’ny rano izahay rehefa tonga tany amin’ilay nosy, sady narary erỳ ny lamosina noho ireo onja nidona tamin’ny vatan’ilay sambo. Toy izay ihany no nitranga rehefa niverina. Hoy i Sandra: Rehefa tafaverina tao amin’ilay nosy lehibe izahay ny tolakandro, dia nandeha bisikileta aho mba hitory. Tena reraka anefa aho sady nalemilemy, noho ilay dia teny ambony sambo. Tsy vitako intsony ny nitondra ilay bisikileta teo amin’ny lalana feno vato harana, ka nianjera aho!”

Isaky ny mitsidika ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny faritra mitokana izahay, dia tsapanay fa tena tia azy ireo i Jehovah sy ny fandaminany. Hita mihitsy hoe fianakaviana ara-panahy miavaka no misy antsika.—Jaona 13:35.

[Teny notsongaina]

“Tonga mba hampahery ahy izy ireo”

[Tabilao/Sary, pejy 80, 81]

POLINEZIA FRANTSAY: IREO TAONA NANAN-TANTARA

1835: Vita ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny tahisianina.

Ireo taona 1930: Nitsidika an’i Tahiti sy ny nosy hafa i Sydney Shepherd sy Frank Dewar.

1940

1956: Nanomboka nirindra tsara ny asa fitoriana tany Makatéa sy Tahiti.

1958: Nisy batisa natao tamin’ny toerana roa, ka ireo no voalohany teto Polinezia frantsay.

1959: Tao Papeete no nisy ny fiangonana voalohany teto Polinezia frantsay.

1960

1960: Voasoratra ara-panjakana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

1962: Naorina tao Papeete ny Efitrano Fanjakana voalohany teo amin’ireo nosy.

1969: Fivoriambe iraisam-pirenena voalohany teto Tahiti.

1975: Nasiana biraon’ny sampana teto Tahiti.

1976: Nanomboka nadika tamin’ny fiteny tahisianina Ny Tilikambo Fiambenana.

1980

1983: Notokanana ny Trano Betela voalohany.

1989: Nahatratra 1 000 ny tampon’isan’ny mpitory.

1993: Niara-notokanana ny Trano Betela vaovao sy ny Efitrano Fivoriambe teo akaikiny.

1997: Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany.

2000

2004: Misy mpitory 1 746 eto Polinezia frantsay.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpitory

Isan’ny Mpisava Lalana

2 000

1 000

1940 1960 1980 2000

[Sarintany, pejy 73]

(Jereo ny boky)

POLINEZIA FRANTSAY

POLINEZIA FRANTSAY

VONDRONOSY MARQUISES

Nuku Hiva

Ua Pou

Ua Huka

Hiva Oa

Fatu Hiva

VONDRONOSY TUAMOTU

Manihi

Ahe

Rangiroa

Takaroa

Takapoto

Makatéa

Anaa

Hao

VONDRONOSY SOCIÉTÉ

Maupiti

Tahaa

Raïatéa

Bora Bora

Huahine

Mooréa

Tahiti

VONDRONOSY TUBUAÏ (AUSTRALES)

Rurutu

Rimatara

Tubuaï

Raevavae

VONDRONOSY GAMBIER

MOORÉA

TAHITI

PAPEETE

Punaauia

Paea

Toahotu

Vairao

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 70]

Jean-Marie sy Jeanne Félix, anisan’ireo Vavolombelona voalohany nanamafy ny asa fitoriana teto Polinezia frantsay

[Sary, pejy 71]

I Maui Piirai no olona nanolo-tena ho an’i Jehovah voalohany teto Polinezia, ary i Jean-Marie Félix no nanao batisa azy tamin’ny 1958

[Sary, pejy 79]

Nanaraka an’i Agnès Schenck (havanana) tany Tahiti i Clyde sy Ann Neill (ambany), mba hanampy tamin’ny fitoriana

[Sary, pejy 85]

Nanao ny asan’ny faritra i John sy Ellen Hubler tamin’ny 1960

[Sary, pejy 86]

Nanorina ny Efitrano Fanjakana voalohany ny Fiangonana Papeete tamin’ny 1962: trano tsotra tsy nisy rindrina, ary ravin-kesika no natao tafo

[Sary, pejy 89]

Ny gazety “La Sentinelle” 15 Aprily 1965, nisy ny lahatsoratra tao amin’ny “Tilikambo Fiambenana”

[Sary, pejy 92]

Nianatra namaky sy nanoratra ny fiteny tahisianina i Taina Rataro, mba handrosoana ara-panahy

[Sary, pejy 92]

Elizabeth Avae (mipetraka) miaraka amin’i Diana Tautu zafikeliny

[Sary, pejy 95]

Anna sy Antonio Lanza

[Sary, pejy 96]

Vaieretiai sy Marie-Medeleine Mara

[Sary, pejy 97]

Ato Lacour

[Sary, pejy 98]

Rudolphe Haamarurai

[Sary, pejy 99]

Vahinerii sy Edmond Rai (havia) ary Taaroa sy Catherine Terii (havanana)

[Sary, pejy 100]

Auguste sy Stella Temanaha

[Sary, pejy 102]

Christiane sy Jean-Paul Lassalle (havia) ary Lina sy Colson Deane (havanana)

[Sary, pejy 103]

Roger Sage (havia) nandika ny lahatenin’i Francis Sicari tamin’ny fiteny tahisianina, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’ny 1970 tany ho any

[Sary, pejy 107]

Eileen sy Alain Raffaelli

[Sary, pejy 108]

Mauri sy Mélanie Mercier

[Sary, pejy 120]

Marie-Louise sy Serge Gollin, misionera any Marquises

[Sary, pejy 122]

Alexandre Tetiarahi, sy Elma vadiny, ary ny zanany vavy roa farany, Rava (havia) sy Riva

[Sary, pejy 126]

Mpandika teny eto Tahiti

[Sary, pejy 127]

Ny fivoriambe “Fiadanana Ambonin’ny Tany” tamin’ny 1969 no Fivoriambe Iraisam-pirenena voalohany teto Tahiti

[Sary, pejy 128]

Ity Efitrano Fanjakana any Bora-Bora ity no naorina farany nanerana an’i Polinezia frantsay

[Sary, pejy 130]

Christine sy Félix Temarii

[Sary, pejy 131]

Komitin’ny Sampana (havia miankavanana): Alain Jamet, Gérard Balza, ary Luc Granger

[Sary, pejy 132, 133]

1) Biraon’ny sampana eto Tahiti

2) Gérard Balza, namoaka ny boky “Manatòna An’i Jehovah” amin’ny fiteny tahisianina, tamin’ny Jolay 2002

3) Fianakavian’ny Betela eto Tahiti