Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

EFA eo an-tokonan’ny tontolo vaovao isika izao, ka tena ilaina ny miandry an’i Jehovah hatrany. (Zef. 3:8) Nilaza i Daniela mpaminany fa “Andriamanitra ... [dia] mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra ... izay ho tonga any am-parany.” (Dan. 2:28) Tombontsoa lehibe tokoa ny miaina mandritra ny faran’io fe-potoana nambara mialoha io, sy ny mahatakatra ireo zava-miafina ampahafantarin’i Jehovah ankehitriny!

Nampahafantarin’i Jehovah miandalana, tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny fikasany hanangona “vahoaka be”, dia ireo mpivavaka aminy avy amin’ny firenena samihafa, amin’izao “andro farany” misafotofoto izao. (Matio 24:45; Apok. 7:9; 2 Tim. 3:1) Resahin’ny Isaia 2:2, 3 fa “any am-parany” no hanatanterahana izany. Mitohy io asa fanangonana io isan-taona, na dia manjaka eran-tany aza ny hotakotaka sy ny herisetra.

Nampahatsiahivina antsika foana nandritra ny taona 2004, fa ilaintsika ny mankatò ilay tenin’i Jesosy hoe: “Miambena hatrany ... Miomàna.” (Matio 24:42, 44) Misy heviny lehibe amin’ny Kristianina tokoa ny zava-mitranga maneran-tany, noho izy ireo mahafantatra ny “famantarana ny fotoana voatondro” sy manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Matio 16:1-3) Hanatanteraka ny Teniny i Jehovah, ka hanohana ny mpanompony hatrany, na inona na inona fanoherana atrehin’izy ireo.

Mitory ny fahamarinana sy mivory foana ireo rahalahintsika, na dia miezaka manakantsakana na manajanona ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana aza ny olona sasany. (Asa. 5:19, 20; Heb. 10:24, 25) Nankasitrahan’ny fitsarana ambony tany Moscou, tamin’ny Jona 2004, ilay didy navoakan’ny fitsarana ambany kokoa, mandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy manafoana ny fikambanany ara-dalàna ao amin’io tanàna io. Tsy nanaiky lembenana anefa ireo rahalahy. Fantany ny zavatra takin’Andriamanitra aminy, ka izy no nekeny ho Mpitondra azy fa tsy olona. (Asa. 5:29) Azontsika antoka fa hitarika ny mpanompony foana i Jehovah, na dia misy lalàna manohitra ny asantsika aza.

Norobaina ny entan’ireo rahalahy tany amin’ny Repoblikan’i Géorgie, nandritra ireo taona vitsivitsy lasa. Niharan’ny herisetra nataon’ny vahoaka romotra izy ireo, ary nodorana teo imasony ny boky sy gazetiny. Tsy nisy nahomby anefa ny fiadiana rehetra noforonina mba hamelezana azy. (Isaia 54:17) Nekena ho ara-dalàna indray ny Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie tamin’ny taom-panompoana 2004. Tsy misy mpanakorontana intsony ny fivoriambe, ary malalaka ny fidiran’ny boky sy gazety ao amin’ilay firenena. Nisy tampon’isa vaovao koa teo amin’ny mpitory sy ny mpanatrika ny Fahatsiarovana.

Nisy rahalahy nampidirina am-ponja sy nampijalijalina noho ny finoany tany Armenia, Érythrée, Repoblikan’i Korea, Rwanda, ary Turkménistan. Fantatr’izy ireo tsara anefa ny antony araka ny Soratra Masina mahatonga ilay fanenjehana, ary manampy azy tsy hivadika sy hanantena ny famonjen’i Jehovah izany.—1 Pet. 1:6; 2 Pet. 2:9.

Hifaly noho ny hatsaram-pon’i Jehovah ianareo, rehefa mamaky ireo Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa sy ireo Tatitra Maneran-tany 2004. (Sal. 31:19; 65:11) Manantena izahay fa handrisika anareo hanao izay hampifaly an’Andriamanitra foana ity Diary ity.—1 Tes. 4:1.

Mitohy hatrany ny ezaka hizarana ny fahamarinana amin’ny karazan’olona rehetra. Nomanina, ohatra, ny video, DVD, zavatra hafa amin’ny baiko moana, ary ny boky sy gazety amin’ny Braille, mba hanampiana ny marenina sy jamba hianatra ny fahamarinana. Maro koa ny mpitory nianatra ny fitenin’ireo mpifindra monina mipetraka ao amin’ny faritanin’ny fiangonany.

An-jatony ny antoko-mpitory niforona tany amin’ny faritany saro-dalana. Misy sampana manana antoko-mpitory maherin’ny 300, ahitana mpitory maherin’ny 7 000. Antenaina ho lasa fiangonana vaovao maro be tokoa izany! Tsy Vavolombelona koa ny 10 tapitrisa mahery tamin’ireo 16 760 607 nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny taom-panompoana lasa. Miharihary avy amin’izany, fa mbola betsaka ny vokatra hojinjaina.

Misaotra an’i Jehovah isika, noho izy mandrotsaka fitahiana tondraka sy mikarakara antsika amim-pitiavana isan’andro. (Ohab. 10:22; Mal. 3:10; 1 Pet. 5:7) Mandroso sy miray saina foana isika eo am-pamakivakiana izao ‘andro farany’ izao, sady mitoky amin’i Jehovah. Na inona na inona olana atrehintsika, dia aoka isika handray am-po ny andinin-teny ho an’ny taona 2005 hoe: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.” (Sal. 121:2) Matokia fa tena tia anareo izahay, sady mivavaka ho anareo.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah