Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

AFRIKA

Tany: 56

Mponina: 770 301 093

Mpitory: 983 057

Fampianarana Baiboly: 1 769 182

Fantatrao ve fa torina any amin’ny efitr’i Sahara ny vaovao tsara? Mipetraka any amin’ny tanànan’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, any avaratr’i Niger, i Nafissatou, 17 taona. Nivadika ho resaka momba ny boky sy sary vetaveta ny resak’ireo mpiara-mianatra taminy, indray mandeha, ka niala izy. Nisy mpianatra iray nanaraka azy sy nanontany ny antony. Nilaza i Nafissatou fa tsy tiany ilay resaka. Nihomehy ilay ankizivavy tamin’ny voalohany, sady nilaza fa tsy hisy vokany ratsy mihitsy ny boky sy sary vetaveta. Nilaza i Nafissatou fa tena raharaha lehibe ilay izy, satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Navoakany avy tao anaty kitapony avy eo ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, ary nasehony an’ilay ankizivavy ilay ampahany miresaka ny loza ateraky ny boky sy sary vetaveta. Navoakany koa ny Baiboliny, ary novakiny ny 2 Korintianina 7:1. Niaiky ilay ankizivavy fa lasa nisy faniriana tsy hainy hazavaina tao anatiny, rehefa nijery video vetaveta izy. Nangataka boky Manontany ny Tanora ilay ankizivavy, ka nomen’i Nafissatou. “Izy irery no teo, rehefa nihaona indray izahay, tatỳ aoriana”, hoy i Nafissatou. “Nanontaniako àry izy hoe lasa aiza ny namany. ‘Ity boky ity no namako’, hoy izy. Nanomboka nampianatra azy aho, ary nanatrika ny Fahatsiarovana izy.”

Nianatra Baiboly tamin’ny anabavy misionera ny vehivavy iray tany Tanzania, 15 taona lasa izay. Naharitra taona vitsivitsy ilay fianarana. Nisalasala hiandany tamin’ny fahamarinana ilay vehivavy, noho ny fanoheran’ny fianakaviany, ary nijanona mihitsy ilay fianarana. Nihaino nangingina anefa ny zanany roa vavy, tamin’io vehivavy io nianatra. Tsy niara-nipetraka taminy intsony ilay zokiny, rehefa feno 18 taona, ary nankany amin’ny Efitrano Fanjakana mba hangataka fampianarana Baiboly. Nandroso haingana izy, ary vita batisa. Nangataka ny hampianarina koa ilay zandriny, ary vita batisa. Tapa-kevitra ny hianatra indray ilay reniny, rehefa nahita ny fijoroan’ny zanany amin’ny fahamarinana. Resiny ihany ny tahotra olona, ka natao batisa izy tamin’ny fivoriamben’ny faritra, tamin’ny Mey 2004.

Mirotsaka ny fitahian’i Jehovah, rehefa ankatoavin’ny fiangonana ilay didy mba ‘hikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany.’ (Jak. 1:27) Nitranga tany Lesotho izany. Nitaiza irery ny zanany lahy efatra i Mapolo, Vavolombelona vita batisa. Fantatr’i Mapolo fa tsy ho sitrana intsony ny aretiny, ka nomaniny mba hamelon-tena ny zanany. Nampianariny Baiboly izy ireo, nentiny tany am-pivoriana, ary nampianarina hanamboatra kifafa mba hamidy teny amoron-dalana. Ny reniben’ireo ankizy no nikarakara azy ireo, rehefa maty i Mapolo, tamin’ny 1998. Nanatona fikambanana ara-tsosialy ilay misionera nanampy an’i Mapolo ho tonga Vavolombelona vita batisa, ary nangataka ny hikarakarana an’ireo ankizy kamboty. Neken’ilay fikambanana ny handoa ny saram-pianaran’izy ireo. Nanome akanjo azy efa-dahy ny Vavolombelona hafa. Maty koa anefa ilay reniben’izy ireo avy eo. Nampianatra Baiboly azy ireo ny rahalahy iray, ary nandoa ny hofan-tranony. Mivory tsy tapaka avokoa izy efa-dahy. Mpitory tsy vita batisa ny roa, ary natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra tamin’ny Martsa 2004 i Rantso, ilay lahimatoa, izay 20 taona tamin’io. Nampianariny Baiboly i Retselisitsoe, zana-drahavavin-dreniny, ka niara-natao batisa taminy. Ankasitrahan’i Rantso tokoa ny fikarakarana sy fitiavana nasehon’ireo rahalahy taminy sy tamin’ny zandriny, nandritra ny taona maro.

Hoy ny misionera iray any Cameroun: “Mahare olona manao hiram-pivavahana ao an-tranon’ny tovolahy iray aho, isaky ny mampianatra Baiboly azy. Nanontaniako àry izy hoe: ‘Fa mba iza loatra izao mihira izao e?’ I Stephen rahalahiny ilay izy, ary jamba izy io. Nampiasaiko àry ny kasety Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? mba hampianarana Baiboly an’i Stephen. Niezaka hitadidy andinin-teny iray isaky ny lesona izahay. Mahatadidy tsara izy, ka nahay tsianjery andinin-teny maro. Manatrika fivoriana koa izy, ary manome valin-teny matetika. Vao tsy ela izy izay no nandray anjara voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Famakiana Baiboly ilay izy, ka tsy maintsy nataon’i Stephen tsianjery, satria tsy mahay soratra Braille izy. Tsy andriko erỳ ny hitantana azy handeha hitory. Anisan’ny andinin-teny tian’i Stephen ny Isaia 35:5, hoe: ‘Hampahiratina ny mason’ny jamba.’ Faly i Stephen satria efa mahiratra ny masony ara-panahy. Mihira fiderana an’i Jehovah izy izao mba hisaorana azy, satria tena hahita ny masony amin’ny hoavy.”

Nanatona Vavolombelona i Nancy, any Liberia, tany rotidrotiky ny ady, mba hangataka fampianarana Baiboly. Nilaza taminy ny pasiterany fa halefa any amin’ny afobe ny Vavolombelon’i Jehovah, satria Kristianina sandoka. Nisy Vavolombelona anefa ny mpiara-monina taminy, ka hitany fa tonga manontany ny fahasalaman’ny rahalahiny foana ny anti-panahin’ny fiangonany, rehefa mitsahatra kely ny poa-basy. Hitany koa fa manararaotra mitory ny Vavolombelona, rehefa misy filaminana kely. Gaga i Nancy sy ny olona maro, rehefa nahita fa ny fiaran’ny biraon’ny sampana no voalohany namakivaky ny toerana nisy ireo mpifanandrina, mba hitondra ny fanampiana vonjy rano vaky avy amin’ny Vavolombelona any Frantsa sy Belzika. “Manana ny fahamarinana ianareo”, hoy izy. Mandeha tsara ny fianarany.

Nisy tovolahy tonga tao amin’ny tanàna kely iray any Ouganda, mba hanamboatra ilay trano ivorian’ireo rahalahy. Nanararaotra nitory taminy ny mpisava lalana iray. Liana izy, nefa tsy maintsy nody tany an-tendrombohitra lavitra kokoa. Tsy nisy Vavolombelona tany amin’ny nisy azy, ka nohazavain’ilay mpisava lalana ny fomba hahitany ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. Nandeha bisikileta 30 kilaometatra teo ho eo ilay tovolahy, ary namakivaky lalana tery sy feno vovoka, nidina tendrombohitra, mba hitadiavana ireo rahalahy. Tsy nisy olona anefa tao amin’ny Efitrano Fanjakana, ka nametraka taratasy kely tao ambany varavarana izy, nangataka fampianarana Baiboly. Nisy mpisava lalana iray nandeha nitady azy tany an-tanànany. Gaga izy fa efa nisy olona 200 niandry azy tao! Tena naniry hianatra Baiboly ny maro tamin’ireo. Misy fivoriana izao any amin’io toerana mitokana io.

Indray takariva, dia nahita hazavana be teny amin’ny lanitra, nitaratra tao anaty renirano, ny mponin’ny tanàna kely iray, misy mponina 600 eo ho eo, tany atsimoatsinanan’i Nizeria. Toa nandroso nankany amin’izy ireo ilay hazavana, ka nandositra izy ireo. Maro no nihevitra hoe io ilay fandringanana torin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nihazakazaka nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Noeritreretiny mantsy hoe: “Tsy handrava an’ity trano ity ny Hara-magedona.” Tamin’ny 10.00 alina vao azon’ireo mponina fa doro tanety lehibe no nahatonga ilay hazavana. Nanontanian’ireo rahalahy izy ireo hoe fa naninona izy no tsy nankany amin’ireo fiangonana hafa. Hoy ny lehilahy iray: “Fiangonana tsy misy dikany ireny. Handrava an’ireny ny Hara-magedonanareo, fa tsy handrava ny Efitrano Fanjakana.”

Mitantara toy izao ny anabavy mpisava lalana maharitra, any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana any Guinée: “Nahita ankizivavy valo taona tao an-tranony aho, rehefa nitory isan-trano. Kilemaina izy io. Nolazainy tamiko fa hidian’ny ray aman-dreniny ao an-tranony izy matetika. Nolazaiko taminy fa te ho namany aho. Nanontaniako izy avy eo hoe inona no mba tiany hataon’Andriamanitra aminy. Nolazainy fa tiany raha hataon’Andriamanitra mandeha izy. Novakiko taminy ny Isaia 35:5, 6, ary nasehoko azy hoe mampanantena ny hampandeha ny mandringa i Jehovah. Nasehoko azy avy eo ilay sary mampiseho an’i Jesosy manasitrana marary, ao amin’ny Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Nolazaiko taminy koa fa hahazo ireny fitahiana ireny izy raha mianatra Baiboly sy manao izay takin’i Jehovah. Nanaiky hianatra izy. Vitanay ny bokikely Fiainana eto An-tany, ary efa ho vitanay koa ny Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Te hanatrika fivoriana izy, rehefa nianatra nandritra ny roatokombolana izahay. Tsy afaka nandeha anefa izy, ka nalaiko tany an-tranony ary nobabeko hatrany am-pivoriana. Tena tiany ny fivoriana, ka tsy faly amiko sy mitomany mihitsy izy rehefa tsy maka azy aho.”

AMERIKA

Tany: 56

Mponina: 868 871 739

Mpitory: 3 165 925

Fampianarana Baiboly: 3 089 453

Hoy i Marie, avy any Goadelopy: “Nisy clients vitsivitsy nilaza tamiko fa nisy akanjo sy kiraro hadino nandritra ny roa andro teo ambony vato, teo amoron-dranomasin’ilay hotely iasako. Nalaiko izy ireo, ary nosavako mba hahalalako ny tompony. Poketra kely nisy 1 067 euros [Ar 2 500 000 eo ho eo] anefa no hitako tao! Maro no nampirisika ahy haka ny ampahan’ilay vola sy hanome azy ireo ny ampahany. Nolazaiko avy hatrany fa Vavolombelon’i Jehovah aho, ary mampirisika ahy hanao ny marina ny feon’ny fieritreretako. Nentiko tany amin’ny fandraisana olona tao amin’ny hotely àry ireo zavatra hitako. Gaga koa ilay mpiasa tao rehefa nahita hoe tsy nalaiko ilay vola. Nohazavaiko indray fa Vavolombelona aho. Te hahafantatra momba ny finoantsika ireo olona teo amoron-dranomasina, rehefa niverina aho. Nampiasa Baiboly aho, ary nitory tamin’izy ireo. Anisan’ny teo ny vehivavy iray niteny hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah ihany no hampiasaiko.’ ” Hita ny tompon’ireo entana, tamin’ny farany, ary noderain’ny polisy ilay anabavy nanao ny marina.

Betelita any Meksika i Antonio, ary mitory foana izy, rehefa afaka manao izany. Vao tsy ela izay, dia nandeha bisy ho any am-pivoriana izy. Nametraka trakta tamin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray niakanjo tsara izy, ary nisy resaka nahafinaritra taorian’izay. “Nanao veloma aho, rehefa tonga teo amin’ny fialako”, hoy i Antonio, “nefa gaga aho fa niara-niala tamiko izy ireo, ary nanohy ny resaka, na dia mbola tsy tokony hiala aza. Niresaka kely indray àry izahay, ary nanao veloma azy ireo indray aho. ‘Fa ho aiza ianao?’, hoy izy ireo. ‘Hivory hiaraka amin’ny fiangonako’, hoy aho. Nifampijery izy ireo, ary niteny hoe: ‘Afaka miaraka aminao ve izahay?’ ‘Ho faly mihitsy aho hitondra anareo!’, hoy aho.” Mpahay lalàna ilay tovovavy, ary mpianatry ny oniversite ilay tovolahy, izay zanak’anadahiny. Efa nianatra Baiboly izy ireo, taona vitsivitsy lasa izay, fa nijanona noho ny fanoheran’ny fianakaviana. Nolazain’izy ireo tamin’i Antonio fa tiany ho hita ilay olona voalohany nitory taminy. Nahagaga tokoa fa tao amin’ilay fivoriana ilay olona! Faly izy ireo nanatrika izany, ary maika erỳ hianatra Baiboly. “I Jehovah no nitarika anay hankatỳ, ka hivory foana izahay manomboka izao”, hoy ilay tovovavy. Nalamina ny fianarana, ary atao indroa isan-kerinandro izany.

Niara-nitory tamin’ny anabavy mpisava lalana iray i Jacqueline, manambady mpiandraikitra ny faritra, any Haïti, rehefa nahita tovovavy nitomany, nipetraka teo amoron-dalana. Nohatonin’izy ireo ilay tovovavy ary nanontaniany hoe nahoana izy no malahelo be. Tsy nety namaly aloha ilay tovovavy, nefa namaly ihany rehefa nanontaniana moramora. Hoy izy: “Efa vitako izay tiako hatao.” Takatr’i Jacqueline avy hatrany fa nihinana poizina ilay tovovavy, ka nanontaniany. Nihatokatoka fotsiny ilay tovovavy mba hilazana hoe eny. Nentin’ireo anabavy haingana tany amin’ny hopitaly izy. Nitsidika sy nampahery an’ilay tovovavy ilay anabavy mpisava lalana, herinandro taorian’io. Natomboka ny fampianarana Baiboly.

Gaga be i Lourdes, any Paragoay, rehefa handoa vola tao amin’ny fivarotana lehibe iray. Nolazaina taminy mantsy fa taratasim-bola sandoka no nampiasainy. Niantso mpiambina avy hatrany ilay mpandray vola. Nentina tao amin’ny efitra kely iray i Lourdes sy Ingrid, zanany vavy dimy taona, mandra-piandry ny polisy. Nasain’ny mpiandraikitra ilay fivarotana sy ny mpiambina nolazain’ilay anabavy ny fomba nahazoany an’ilay taratasy sandoka. Tsy tsaroan’i Lourdes izay nahazoany an’ilay izy, ka nolazainy tamin’izy ireo fa tsy fantany hoe sandoka ilay izy. Tezitra i Ingrid, ary nojereny tsara ilay mpiandraikitra sy ilay mpiambina, ka hoy izy: “Ataonareo fa mpangalatra izany izahay? Tsy mpangalatra izany i Neny. Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary tsy mandainga.” Nanontany an’i Lourdes ilay mpiandraikitra raha Vavolombelona tokoa izy, ka namaly i Lourdes hoe “eny.” Tsy resy lahatra mihitsy izy ireo hoe Vavolombelona i Lourdes, raha tsy nantsoina an-telefaonina ny biraon’ny sampana. Niala tsiny tamin’i Lourdes sy Ingrid izy ireo, noho ny fanakorontanana, ary navelany handeha izy mianaka. Nilaza i Ingrid kely tatỳ aoriana fa ny tena nampalahelo azy tamin’iny, dia ny tsy nahafahany nividy an’ilay poa-katsaka tena tiany.

Nanapa-kevitra ny hitory tamin’ny Katolika iray mpiara-monina aminy ny rahalahy iray tany Costa Rica. Natahotra ilay rahalahy, satria tsy tia Vavolombelona ilay lehilahy, sady efa nasiaka be tamin’izy ireo mihitsy. Gaga anefa ilay rahalahy satria nampandroso azy ilay lehilahy, ary nanazava ny antony niovany. Nanasa azy ny namany iray mba handeha any ambanivohitra lavitra sy hivavaka tany amin’ny fiangonana ara-pilazantsara. Nasaina “nijoro ho vavolombelona” izy, rehefa tonga tao. Niteny fotsiny anefa izy hoe: ‘Katolika aho.’ Tsy tian’ireo mpiangona izany, ka nasainy nivoaka ny fiangonana izy. Nolazainy mihitsy aza fa mety ho voaheloka ilay namany, satria nifanerasera tamin’ny Katolika. Nivoaka ilay lehilahy, nefa tsy nahita trano hatoriana, satria lavi-podiana, sady vahiny tao. Nandondòna tao amin’ny trano iray izy, ary nanazava ny zava-nitranga, ka nampandrosoina tao. Nomena sakafo sy toerana hatoriana izy tao. Nitory taminy koa ny tompon’ilay trano. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nisy vokany lehibe teo amin’io lehilahy io tokoa ny fitiavan’ny Vavolombelona ny mpiara-belona aminy! Miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona izy izao.

Nanoratra toy izao ny anabavy iray any Trinité: “Nitory teny an-dalana aho indray mandeha, rehefa nanatona ahy mba hangataka gazety farany ny vehivavy iray. Nanome azy gazety vitsivitsy aho, ary nilaza ny hampianatra Baiboly azy. Nilaza izy fa efa nianatra taloha, fa vao nifindra ho eo amin’ilay tanàna. Nanontaniako ny anarana sy adiresiny, nefa tsy nety nilaza izy. Niteny fotsiny izy hoe tsy maintsy hatoron’Andriamanitra anay ny tranony, raha manompo an’ilay tena Andriamanitra izahay. Nitory isan-trano izahay ny ampitson’iny, ka io vehivavy io no nandray anay tao amin’ny trano iray, rehefa nandondòna tao izahay. Nojereny izahay sy ilay namako, ary nihomehy izy sady gaga niteny hoe: ‘Fa ahoana no nahitanareo ahy sahady?’ Nanontaniako izy raha tsaroany ny teniny ny omalin’iny. Nampandrosoiny izahay, ary natomboka ny fianarana. Mpitory tsy vita batisa izao ilay vehivavy.”

AZIA SY MOYEN-ORIENT

Tany: 47

Mponina: 3 971 703 969

Mpitory: 574 927

Fampianarana Baiboly: 444 717

Mpisava lalana maharitra any Népal i Ghanshyam, ary saofera taxi no asany. Mitondra olona samihafa toetra be izy, rehefa miasa, fa matetika izy ireny no maika, na amin’ny alina aza, ka tsy manam-potoana hiresahana firy. Miezaka mampiresaka foana anefa izy. Omeny trakta sy adiresin’ny Efitrano Fanjakana ny olona entiny, raha mety. Maro no nankasitraka. Ampianariny Baiboly izao ny dimy amin’izy ireny.

Be feo be ny vadin’ny anabavy iray any Taïwan, ka matetika no nampiasa izany mba hanambaniana azy, indrindra fa talohan’ny handehanany hivory. Nanjary tapaka lalan-dra anefa ilay lehilahy, ka tsy afa-nihetsika, ary nijanona tany amin’ny hopitaly. Nikarakara azy tsara ilay anabavy, ary nampiasa ny fotoana nitsaboana azy mba hampahafantarana tsikelikely taminy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hoy ilay anabavy: “Tokony hozarina hiasa ny atidohanao, ka hisy fanazavana homeko anao, ary hiezahanao hotadidina. Izany an?” Nanaiky ilay lehilahy, satria fantany fa tsy maintsy ampiasainy ny sainy. Nampiasa fanazavana avy tao amin’ny bokikely samihafa ilay anabavy mba hampianarana azy ny fahamarinana fototra toy ny anaran’Andriamanitra sy ny toetrany ary ny foto-kevitry ny Baiboly. Maro koa ny rahalahy nitsidika an’ilay rangahy sy tsara fanahy taminy. Tena nahafaly azy izany, ka nanaiky hianatra Baiboly izy, rehefa tafody. Nanomboka nanatrika fivoriana izy, na dia teo ambony seza misy kodiarana aza, ary mampiasa ny feo beny kosa mba hanomezana valin-teny.

Mpisava lalana manokana any ambanivohitr’i Sri Lanka i Rohana. Nanohitra azy ny lehilahy iray mpitondra posiposy-bisikileta, izany hoe bisikileta misy kodiarana telo, ary mahazaka olona roa. Nitabataba izy io ary nanompa an’i Rohana, rehefa nahita azy teny am-pitoriana. Nampitahoriny mihitsy aza i Rohana fa mety hisy hanindrona antsy, raha mbola mitory ao amin’ilay tanàna. Tsy nisendaotra anefa i Rohana. Niharan-doza io lehilahy io tatỳ aoriana, ary niditra hopitaly, satria naratra be. Namangy azy tany i Rohana, ary nitondra fanomezana. Nitomany ilay lehilahy, rehefa nahita an’i Rohana, ary nangata-pamelana taminy. Hoy ilay lehilahy: “Raha jerena ny ratsy nataoko taminao, dia tsara kokoa raha novelesinao tamin’ny kibay aho, fa tsy ampaherezinao toy izao.” Nivoaka ny hopitaly izy, ary nanohy ny asany. Mamaky tsy tapaka ny gazetintsika izy izao.

Maro ny vahiny tonga any Hong Kong mba hiasa an-trano. Anisan’izany ny vehivavy iray te hanohy ny fianarany Baiboly natombony tany Philippines, tamin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Nivavaka izy, satria tsy hainy ny fomba hahitana Vavolombelona. Niampita ranomasina izy, tamin’ny andro tsy fiasany, mba ho eny amin’ilay toerana be fandraharahana indrindra sy misy zaridaina fihaonan’ireo avy any Philippines, amin’ny faran’ny herinandro. Nitady izy, fa tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, na dia mitory eo amin’ilay zaridaina aza izy ireo, isaky ny faran’ny herinandro. Nahita bokikely Takina tao amin’ny fitoeram-pako anefa izy. Nalainy ilay izy, ary hitany fa nisy nomeraon-telefaonina tao amin’izy io. Nomeraon’ny anabavy iray nametraka an’ilay bokikely ilay izy. Gaga sy faly be ilay vehivavy, rehefa fantany fa ao amin’ilay tranobe iasany ihany no miasa ilay anabavy. Nitohy ny fianarany Baiboly, ary manatrika fivoriana izy.

Nety tsara ny fotoana nitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy iray hafa ny anabavy iray, tany amin’ny Repoblikan’i Korea. Tsy nitory intsony nandritra ny folo taona ilay anabavy. Nanomboka nandeha niangona ny vadiny, izay tsy nino an’Andriamanitra, rehefa avy nodidiana. Nihaona tamin’ilay lehilahy izy mirahalahy, rehefa tonga. Niresaka tsara izy io, ary nandray bokikely Takina. Nampahery an’ilay anabavy ilay anti-panahy, sady nampianatra an’ilay lehilahy. Nanaiky hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra ilay lehilahy, ary tsy nandeha niangona intsony, fa lasa nivory tsy tapaka. Nandroso koa ilay anabavy, ary nangataka mba hisy hitsidika ny zanany efatra any an-tanàna hafa. Vita batisa daholo izao ny vadin’ilay anabavy, ny zanany vavimatoa sy ny vadin’izy io, ary ny faravavy. Vita batisa koa tatỳ aoriana ny lahimatoa sy ny vadiny, ka lasa enina ny Vavolombelona vaovao.

Sarotra tamin’i Yuki, mpianatry ny lise, any Japon, ny nilaza tamin’ny mpiara-mianatra taminy, fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Takany anefa fa tokony hitory izy, ary nisy zavatra tokony hataony, satria tsy niresaka fivavahana mihitsy ny ankizy. Nataony àry izay hahitan’ny namany azy nivavaka tamin’ny sakafo antoandro. Nivavaka isa-maraina izy mba hananany herim-po. Tsy nataony maimaika avy eo ny vavaka tamin’ny sakafo antoandro, satria tsy hisy hahita azy raha nanao izany izy. Niondrika kosa izy, ary nataony lava kokoa ilay vavaka. Nanontany azy ny mpiara-mianatra iray, rehefa vita ilay izy, hoe inona no nanjo azy. Tsy sahy nitory anefa i Yuki. Nalahelo be izy taorian’izay, ka nangata-pamelana tamin’i Jehovah, ary nangataka hery taminy indray. Nivavaka indray i Yuki ny ampitson’iny, ary mbola nanontany indray ilay mpiara-mianatra hoe nanao ahoana izy. Hoy àry i Yuki anakampo: ‘Tsy maintsy mitory amin’izay aho!’ Nohazavainy fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Gaga aloha ireo mpiara-mianatra taminy, nefa nametraka fanontaniana be dia be avy eo: Inona no zavatra angatahinao? Iza no anaran’Andriamanitra? Iza i Jesosy? sy ny sisa. Faly be i Yuki.

Nalaza ho mamo lava sy mpidoroka i Glenn, tany Kupang, any Indonezia. Nokaramain’ny sasany izy taloha mba handrahona sy hidaroka olona. Tany amin’ny ray aman-dreniny izy, rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga hiresaka ny Baiboly tamin’izy ireo. Tsy ela i Glenn dia nanaiky hianatra Baiboly, ary niezaka mafy mba hiala tamin’ny fahazaran-dratsiny. Nanome mialoha vola be ho an’i Glenn ny mpivarotra iray, ho karamany hidaroka lehilahy iray. Nieritreritra momba izany izy, nefa nanapa-kevitra ny tsy hanao io asa io intsony. Naveriny ilay vola, ary nolaviny ilay asa. Niditra tao amin’ny fivarotana hafa izy indray mandeha. Natahotra ny tompon’ilay fivarotana sao tonga hamely azy ilay lehilahy. Nolazainy anefa fa mianatra Baiboly izy izao, ary tia fihavanana. Nanaiky hianatra Baiboly ny tompon’ilay fivarotana, ary nanome asa ho azy tao am-pivarotany. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny herintaona i Glenn, ary nanatrika teo ny tompon’ilay fivarotana.

EOROPA

Tany: 46

Mponina: 728 373 014

Mpitory: 1 490 345

Fampianarana Baiboly: 733,728

Nahazo taratasy ofisialy avy tamin’ny polisy ny havan’i Jacoba, anabavy 88 taona, any Holandy, rehefa maty izy. Mpanatitra gazety ho azy ireo nandritra ny taona maro izy. Izao no anisan’ny voalazan’ilay taratasy: “Tena hafa mihitsy izy. Nitsidika anay tsy tapaka izy, ary tianay ny niara-nisotro dite taminy. Tianay ny herim-pony, satria na be taona aza izy, ary na tsara na ratsy ny andro, dia nivoaka ny trano sy nitaingina bisikileta izy mba hitsidika olona sy hiresaka ny finoany. Tena halahelo azy izahay.”

Avy any Soisa ny tantara manaraka. Lasa nanao vakansy ny fianakaviana Vavolombelona iray, ka nomeny ny zanakalahin’ny fianakaviana Vavolombelona hafa ny lakilen’ny tranony, mba hahafahan’ilay zazalahy hanome sakafo ny trondrony ao anaty tranony fitaratra. Tsy hain’ilay zazalahy anefa ny namoha ilay varavarana, tamin’ilay andro voalohany. Nandre an’ilay feo ny vehivavy iray mpifanila trano, ka nitsikilo teo am-baravarany. Noheveriny fa mpangalatra ilay zazalahy, ka niantso polisy izy. Polisy roa nitondra fiadiana no nitsena an’ilay zazalahy teo am-baravarana, rehefa hivoaka izy! “Inona no ataonao ato?”, hoy izy ireo. “Nanome sakafon-trondro fotsiny aho”, hoy ilay zazalahy. Tsy nino azy anefa ny polisy, ka hoy izy: “Vavolombelon’i Jehovah namanay ilay fianakaviana mipetraka ato. Nasain’izy ireo hanome sakafon-trondro aho, satria tsy ao ry zareo, dia nomeny ahy ny lakileny.” Tsy resy lahatra ireo polisy, ka saika hitondra azy tany amin’ny paositry ny polisy. “Andraso kely aloha”, hoy ilay zazalahy. “Nataon’ny namako eto amin’ity taratasy ity ny nomeraon-telefaoniny, ka azonareo antsoina avy hatrany izy, mba hanontaniana raha marina ny teniko na tsia.” Nantsoin’ireo polisy ilay nomerao, ary nohamarininy ny tenin’ilay tovolahy. Niala tsiny izy ireo avy eo, ary lasa. Niresaka tamin’ilay vehivavy mpifanila trano taminy ilay fianakaviana, rehefa tafaverina. Olona vao nifindra trano ilay vehivavy. Nisaoran’izy ireo izy noho ny fiahiany. Nohazavainy avy eo fa Vavolombelon’i Jehovah toa azy ireo ilay tovolahy, ary azo itokisana tanteraka. Tsy nahafantatra Vavolombelona loatra ilay vehivavy, ka nitohy ny resaka, ary nanaiky hianatra Baiboly izy.

Nitory isan-trano ny anabavy iray tany Italia, ary niresaka tamin’ny tovovavy iray, renim-pianakaviana miasa mandritra ny ora maro. Niezaka hifandray taminy indray ilay anabavy, nefa tsy nifankahita mihitsy izy ireo. Nantsoiny an-telefaonina àry ilay tovovavy. Nohazavain’ilay tovovavy fa tena tsy manam-potoana hiresahana momba ny Baiboly izy. Hoy ilay anabavy: “Afaka mianatra zavatra vaovao ianao, mandritra ny 10 na 15 minitra monja, ary an-telefaonina ilay izy.” “Tsy maninona raha an-telefaonina!”, hoy ilay vehivavy. Tsy ela izay, dia nametraka boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ho an’ilay vehivavy ilay anabavy, ary nanomboka nianatra an-telefaonina. Ny asabotsy maraina matetika no anaovana ilay fianarana, saingy tsy 10 na 15 minitra intsony, fa 30 minitra kosa.

Mihamaro ny mpitory miezaka hitory amin’ny mpiavy mipetraka any Grande-Bretagne, ary anisan’izany i Angela. Nikopa-tanana mba handroaka azy ny mpiasa iray tao amin’ny fivarotan-tsakafo sinoa, rehefa nividy zavatra tao izy. Nisy vehivavy sinoa iray anefa nihazakazaka nanatona azy avy tany ambadik’ilay fivarotana, ary niantsoantso ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny sinoa. Nametraka gazety tsy tapaka taminy i Angela taorian’io. Tian’ilay vehivavy ireo gazety, nefa nohazavainy fa sarotra aminy ny mino hoe Andriamanitra no namorona izao rehetra izao. Noheveriny fa tonga ho azy teo ny zava-drehetra.

Manomana nem no asan’ilay vehivavy ao amin’ilay fivarotana. Nanontanian’i Angela izy hoe zavatra firy no ilainy mba hanaovana nem. “Dimy”, hoy izy. Nasain’i Angela àry izy mba hanandrana hanipy an’ireo zavatra dimy eny ambony eny, ary hijery hoe nem firy no ho azony. Nandalo teo amin’ilay fivarotana i Angela, ny herinandro nanaraka, ary nihaona tamin’ilay vehivavy sinoa. Nanome azy nem vao vitany ilay vehivavy, sady nilaza fa ekeny izao hoe Andriamanitra no nanao izao rehetra izao. Natomboka ny fampianarana Baiboly ary mandroso tsara ny fianarany ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Matetika ny mpiaro ny tontolo iainana any Alemaina, no manao fihetsiketsehana, rehefa taterina amin’ny fiarandalamby ny fako simika avy amin’ireo mpamokatra hery niokleary. Matetika àry no misy polisy maro be miambina ny lalamby, alohan’ny handalovan’ny fiarandalamby. Niseho tany akaikin’ny toerana nanaovan’ny Anabavy Gudrun ny asan’ny mpisava lalana izany, tamin’ny Novambra 2003. “Azoko an-tsaina ny polisy mipetraka sy miandry mandritra ny ora maro”, hoy izy, “ka tapa-kevitra ny hanatona azy ireo aho, mba hanolotra zavatra hovakiny.” Sariaka tamin’i Gudrun ireo polisy. Nitondra harona feno Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy, ary tsy sahirana mihitsy nanatona an’ireo polisy. Naka sary azy mihitsy aza ny polisy avy any Bavière, rehefa nanolotra Mifohaza! ho an’ireo polisy tao anaty fiara izy. Nanao dia 120 kilaometatra izy tao anatin’ny roa andro, niresaka tamin’ny polisy 100 mahery, ary nametraka gazety 184. Nafana fo erỳ izy niteny hoe: “Tsy hohadinoiko mihitsy izany!”

Nandeha teny amin’ny fiandrasana bisy i Ana María, any Espaina, indray andro, rehefa avy niasa. Namaky ny filazana sasany nipetraka teo izy, teo am-piandrasana. Nanaitra azy avy hatrany ny iray tamin’izy ireny, nilaza hoe: “Mila mifandray haingana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, mba hanohizako ny fianarana Baiboly.” Nantsoin’i Ana María avy hatrany ilay nomeraon-telefaonina teo, ary nanao fotoana tamin’ilay vehivavy izy. Felicitas no anaran’io vehivavy vao tonga avy any Ekoatera io, ary efa nianatra Baiboly nandritra ny roa taona izy tany. Notohizina haingana ilay fianarana, ka nanatrika fivoriana foana i Felicitas sy ny zanany nanomboka teo. Faly izy ireo, satria tsy nitsahatra ela ny fandrosoany.

Lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona niaraka tamin’ny zafikeliny ny vehivavy iray tany Boligaria. Gaga izy nahita hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Tsy nisy anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboliny, ka lasa nividy Baiboly hafa nisy an’io izy. Nanontanian’ilay mpivarotra ny zavatra notadiaviny. Nolazainy izany, ka nitabataba ilay mpivarotra hoe: “Hay miaraka amin’io sekta io ianao!” Tamin’izay indrindra no nisy pretra niditra. Nanontaniana izy hoe: “Iza no anaran’Andriamanitra?”, ka hoy izy: “Jehovah, fa iza indray? Ary aza tabatabainao intsony io vehivavy io.” Gaga be ilay mpivarotra. Mandroso tsara izao ilay vehivavy sy ny havany telo.

Niharam-boina ny fianakaviana iray tany Rosia, satria maty ny zanany lahy. Nantsoin’ilay reniny daholo ny naman’ny zanany, ny andro talohan’ny nandevenana azy, araka ny nomeraon-telefaonina hitany tao amin’ny karinen’ilay tovolahy. Nisy nomeraon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah tao, ary nasain’ilay reniny handevina koa izy ireo. Tsy fantatr’ilay fianakaviana Vavolombelona ny ray aman-drenin’ilay zazalahy, nefa niezaka nampahery izy ireo. Noresahin’ilay rahalahy tamin’ilay raim-pianakaviana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ary nametrahany bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao izy. Nitsidika azy ilay rahalahy, roa andro taorian’izay. Hoy ilay raim-pianakaviana: “Nisy vokany lalina teo aminay ilay bokikely. Tapa-kevitra ny hanokana fotoana hianarana Baiboly izahay.” Efa nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ilay renim-pianakaviana, ary miomana ho tonga mpitory.

OSEANIA

Tany: 30

Mponina: 34 820 382

Mpitory: 94 087

Fampianarana Baiboly: 48 307

Tamin’ny Desambra 2003 i Olena any Hawaii no natao batisa, ary vao 12 taona izy tamin’izay. Manana tanjona tsara izy, fa tsy toy ny tanora tia miala voly fotsiny. Hoy izy: “Faly aho nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Martsa sy Mey, ary tena tiako ny miara-miasa amin’ny mpisava lalana sy ny olon-dehibe. Nisy asabotsy hariva maromaro, ohatra, niarahako tamin’ny rahavavy iray misionera taloha. Mitsidika sy mampianatra olona miteny sinoa izy, ary mahaliana ahy ilay fiteny. Ny tanjoko lehibe indrindra dia ny ho mpisava lalana maharitra any amin’ny fiangonana miteny vahiny. Mandeha manompo aho isaky ny alarobia avy mianatra sy asabotsy ary alahady, mba hahatratrarako izany. Mihevitra ny hanao mpisava lalana mpanampy matetika araka izay vitako koa aho.” Inona koa no heverin’i Olena fa hanampy azy hahatratra ny tanjony? Hoy izy: “Ny hoe miaro ny foko dia midika hoe tokony hasehoko amin’ny ataoko fa zava-dehibe amiko ny mampifaly an’i Jehovah. Handeha amin’ny fahamarinana hatrany aho, raha miaraka amin’ireo manana toe-tsaina toy izany. Kely kokoa ny fotoana iarahako amin’olona manana toe-tsain’izao tontolo izao, rehefa manokana fotoana bebe kokoa hanompoana an’i Jehovah aho. Izany no manakana ahy tsy hihevitra hoe mety hahasambatra ahy ny harena sy ny fialam-boly maloto.”

Fanaon’ny any amin’ny Nosy Salomon ny manome ny zanany iray na roa mba hotezain’ny havana. Nanao izay hakana ny zanany antsoina hoe Deborah indray anefa ny mpivady iray, rehefa nahafantatra izay takin’i Jehovah amin’ny ray aman-dreny. Efa zatovo izy io tamin’izay. Inona no hitranga, rehefa hanjary ho tafaraka amin’ny fianakaviana Vavolombelona tampoka i Deborah, ary hanatrika fivoriana sy hitory ary hanao fianaram-pianakaviana foana? Hoy i Deborah: “Vao nanatrika fivoriana voalohany aho dia efa nahatsapa hoe nahafaly ny mpanatrika tao ny nahatongavako. Nihevitra ny hahita mpitondra fivavahana nanao akanjo manokana aho, nefa tsy nahita. Toa nandray anjara tamin’ny fivoriana ny rehetra, na dia ny ankizy aza.” Tsy ela koa i Deborah dia nandray anjara. Anisan’ny nanaitra azy koa ny fomba nampianaran-drainy azy sy ny mpiray tam-po aminy. Hoy izy: “Nampian’i Dada izahay mba hieritreritra tsara ny ohatr’ireo olona ao amin’ny Baiboly. Tena manampy ahy izany rehefa manan-java-manahirana aho.” Mpitory tsy vita batisa izao i Deborah, ary faly satria nanosika ny ray aman-dreniny ny fahamarinana ara-baiboly mba hamerina azy ho eo anivon’ilay fianakaviana sy handeha amin’ny lalan’ny fiainana.

Be tendrombohitra ny toerana sasany any Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary maro ny tanàna tsy misy lalana. Tsy voakasiky ny fandrosoana mihitsy ny sasany aminy. Tonga any amin’ny toerana toy izany foana anefa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tonga nanatrika fivorian’ny fiangonana tany Port Moresby, renivohitra, ny lehilahy iray atao hoe Leanna. Gaga ireo rahalahy rehefa nahalala fa lehiben’ny tanàna kely iray any an-tendrombohitra izy, ary tsy manan-javatra maoderina ny mponina any. Nandeha an-tongotra tany anaty ala nandritra ny dimy andro i Leanna, vao tonga teo amin’ny arabe. Avy eo indray izy no nandeha kamiao ho any an-drenivohitra. Nilaza izy fa tonga tany an-drenivohitra izy, efa-taona lasa izay, ary nihaona tamin’ny rahalahy iray teny an-dalana sy nahazo Ny Tilikambo Fiambenana avy taminy. Nentiny nody ilay gazety, novakiny, ary nampianarany ny vahoakany. Nanao izany isan’alahady izy, nandritra ny taona vitsivitsy, ary nofonosiny plastika ilay gazety mba tsy ho simba. Nandresy lahatra azy mba hitady an’ireo olona mamoaka an’ilay gazety ny mponina tao an-tanàna, nony farany. Niverina tany an-tanàn-dehibe àry izy mba hifandray tamin’ireo rahalahy. Nampianarina Baiboly izy. Nijanona nandritra ny tapa-bolana tany an-tranona Vavolombelona i Leanna, ary nahavita ny fianarana ny bokikely Takina. Nohazavaina taminy fa misy fiangonana any amin’ny tanàna tsy dia lavitra ny misy azy. Tena faly izy niteny hoe: “Izany ahay ka mba mora! Dia an-tongotra roa andro avy eo aminay fotsiny izany!” Nitondra kitapo feno boky aman-gazety izy, ary efa nahazo fahalalana tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra, rehefa hanao ilay dia lavitra hody. Natao ny fandaminana mba hitsidihana an’io tanàna io tsy ho ela, ka hampianarana marina kokoa ny Baiboly an’ireo olona any.

Anabavy miasa ao amin’ny biraon’ny fandikan-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kiribati no nilaza ity tantara ity: “Nitondra Ny Tilikambo Fiambenana momba ny afobe aho, indray maraina, ary nihevitra ny hametraka azy io, na dia efa nomerao tranainy aza. Nitory tamin’ny lehilahy iray izaho sy ilay namako. Nolazainay hoe iza izahay, ary nasehonay azy ilay gazety, rehefa avy nohazavainay fohifohy taminy ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny afobe. Niondrika izy ary tsy niteny nandritra ny fotoana kelikely. Nanontaniako izy hoe: ‘Fa misy inona?’ Hitako fa nitomany izy, rehefa nitraka. Nolazainy fa nanohina ny fony ny zavatra lazain’ilay gazety. Vao herinandro vitsivitsy talohan’io no maty ny zanany, ary tena mbola malahelo izy mivady. Nangataka tamin’Andriamanitra foana izy ireo mba hanamaivana ny alahelony, satria noheveriny fa lasa any amin’ny afobe ilay zanany. Tena gaga sy faly be ilay lehilahy, rehefa nandre izay tena lazain’ny Baiboly momba ny hoe manao ahoana ny maty. Natomboka ny fianarana, rehefa notsidihina indray izy. Milaza matetika izy fa nivavaka tamin’Andriamanitra mba hampiseho azy ny fahamarinana. Efa ela koa izy no nanantena hahita fivavahana tena mampianatra Baiboly. Nanomboka nivory izy, ary manomana tsara mba hanomezana valin-teny avy amin’ny fo mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.”

Nisy 60 000 mahery ny mpanatrika ny fivoriambe lehibe indrindra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia, tamin’ny Desambra 2003. Maika hampiseho an’ilay boky vaovao hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe tamin’ny mpiara-mianatra aminy i Alyscea, enin-taona, rehefa avy any amin’ilay fivoriambe tany Sydney. Tonga haka azy ny reniny ny hariva, ary gaga nahita soratra hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra” tamin’ny sora-baventy, teo amin’ny tabilao tao an-dakilasy. Namintina ny fivoriambe tamin’ny mpampianatra telo sy ireo ankizy 24 mpiara-mianatra aminy i Alyscea ny marainan’io. Tian’ny rehetra ilay boky vaovao sy ny famintinana feno hafanam-po nataon’i Alyscea momba ny zava-nisongadina tamin’ilay fivoriambe. Nijanona teo amin’ny tabilao nandritra ny andro ilay teny hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra.”

[Sary, pejy 43]

Nafissatou, Niger

[Sary, pejy 43]

Rantso (faharoa avy any ankavanana) miaraka amin’ny zana-drahavavin-dreniny sy ny rahalahiny, Lesotho

[Sary, pejy 48]

Marie, Goadelopy

[Sary, pejy 48]

Antonio, Meksika

[Sary, pejy 52]

Ghanshyam, Népal

[Sary, pejy 56]

Jacoba, Holandy

[Sary, pejy 58]

Angela, Grande-Bretagne

[Sary, pejy 61]

Olena, Hawaii