Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

MIAINA ao anatin’ny hotakotaka izao tontolo izao, fa ny vahoakan’Andriamanitra kosa mianoka ao anatin’ny paradisa ara-panahy, sady mandroso hatrany. (Mal. 3:12, 18) Mampahatsiahy ny fampanantenan’i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra, io fandrosoana io. Hoy izy: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Matio 28:20.

Mbola mampiharihary ny fahatanterahan’io fampanantenana mampahery io ny fanompoana tamin’ny taon-dasa. Andeha aloha hojerentsika ny sakafo tondraka nankafizin’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra.”

Fivoriambe “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”

Nasehon’i Mika mpaminany ny maha samy hafa ny marina sy ny tsy marina, rehefa naminany izy hoe: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” (Mika 4:5) Nilaza ilay rahalahy nanao ny lahateny fototra fa mamintina ny fihetsik’i Enoka sy Noa, anisan’ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky fahiny, ireo teny ireo. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo na dia nisafotofoto aza ny fiainana. (Gen. 5:22-24; 6:9, 22) Tombontsoa lehibe ho antsika ny manahaka ny ohatra navelan’izy ireo!

Nanampy anao ho tapa-kevitra kokoa “handeha amin’ny anaran’i Jehovah” ve iny fivoriambe iny? Nahoana raha mijery indray ny fandraisanao an-tsoratra? Hahatsiaro ireo hevitra nolazaina nandritra ny fandaharana ianao, raha manao izany, ary handray soa maharitra.

Boky vaovao tamin’ny fivoriambe

Misy olona mampiasa fiteny samy hafa ve ao amin’ny faritanin’ny fiangonanareo? Mety ho efa nampiasa ilay bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra ianao, raha izany. Misy fanontana telo izy io: 32 sy 64 ary 96 pejy, arakaraka ny fiteny ilain’ny firenena tsirairay. Ataovy ao anaty kitapo fitondranao mitory foana àry io fitaovana tsara io. Raha vao mahita olona miteny vahiny ianao, dia araho ireo dingana telo ao amin’ny pejy faha-2 amin’ilay bokikely. Mety hamonjy aina izany!

Ny mpandahateny farany tamin’ny andro faharoa no namoaka ilay bokikely Miambena Hatrany!, izay mifanaraka amin’ny andinin-teny ho an’ny taona 2004 hoe “Miambena hatrany ... Miomàna!” (Matio 24:42, 44) Enga anie io bokikely io hanampy olona maro kokoa hitadidy fa efa akaiky ny farany, sady hisaintsaina lalina ny hoavy sy ireo fisehoan-javatra lehibe tsy maintsy hitranga. Ary enga anie izy io hanampy antsika tsirairay hiatrika ireo fanerena sy fanahiana maro eo amin’ny fiainana, sady hanampy antsika hanompo amim-pifaliana foana rehefa ao anaty fitsapana, araka ny nambaran’ilay mpandahateny.

Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany

Nisy 13 ny Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany natao tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana tany Patterson, Etazonia, nandritra ny enin-taona lasa. Maherin’ny 600 ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra nanatrika izany, avy any Kanada sy Etazonia, anisan’izany i Alaska sy Hawaii. Natao tany amin’ny sampana 87 hafa io sekoly io, tamin’ny taom-panompoana 2004. Nandray mpianatra avy any amin’ny firenena hafa ny 23 tamin’ireo sampana ireo. Nanasa mpianatra avy any Aotrisy, Israely, Macédoine, Soisa, Torkia, ohatra, i Alemaina. I Portogaly kosa nampiantrano mpianatra avy any Luxembourg sy ny nosy Açores, Cap-Vert, Madère, ary São Tomé sy Príncipe. Nandray mpiandraikitra mpitety faritany avy any Etiopia, Ouganda, Rwanda, Tanzania, ary firenena afrikanina hafa i Kenya.

Mahafaoka ny lafiny rehetra amin’ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra ilay fianarana. Natao izany mba hanampiana ireo rahalahy miasa mafy ireo hahomby kokoa rehefa manatontosa ny andraikiny, toy ny fampianarana eo anivon’ny fiangonana sy eny amin’ny fivoriambe ary rehefa mitarika amin’ny asa fitoriana. (2 Tim. 2:2; 4:5; 1 Pet. 5:2, 3) Ampirisihina koa izy ireo mba hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra foana, ary hahay hanavaka tsara rehefa mampiasa ny Soratra Masina mba hanampiana ny hafa.

Natao tany amin’ny biraon’ny sampana ny ankamaroan’ireo sekoly, ka afaka nahita kely ny fiainana ao amin’ny Betela ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. Nanoratra toy izao ny kilasy iray: “Nandray soa tamin’ny fandaharan’ny Betela izahay. Tena nankafizinay ny fotoam-pivavahana maraina, izay misy famakiana Baiboly sy Diary. Betsaka ny enti-modinay, kanefa nanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana niaraka tamin’ny mpianakavin’ny Betela koa izahay ny alatsinainy hariva, ary nandray soa avy tamin’izany.”

Nifandimby niasa nandritra ny adiny iray tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ny sasany tamin’ireo rahalahy isan’andro, rehefa niditra niasa ny tolakandro. Nianaran’izy ireo tao ny fomba hiarahana miasa bebe kokoa amin’ny biraon’ny sampana, sy hampiharana tsara kokoa ny toromarika omena azy ireo, ary ny famenoana tatitra amin’ny fomba marina sy tsara kokoa.

Nanatrika lahateny niaraka tamin’ny vadiny ny mpianatra, isaky ny zoma. Nisy fampaherezana nomanina ho an’ireo anabavy mahatoky ireo, ireny lahateny ireny. Nampahatsiahivina, ohatra, izy ireo mba hanome ohatra tsara amin’ny fankatoavana. Nampirisihina koa izy ireo mba hanohana ny vadiny, ka hiara-miasa amin’ireo anabavy eo anivon’ny fiangonana. Nampitaha ireny lahateny isan-kerinandro ireny tamin’ny “tsindrin-tsakafo matsiro” ny mpiandraikitra iray.

Mazava ho azy fa ny Baiboly, indrindra fa ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, no tena niorenan’ilay sekoly. Hoy ny mpianatra iray tany Alemaina: “Hampiasa ny Baiboly Fanaovana Fikarohana aho izao rehefa manao fianarana samirery sy any am-pivoriana. Izao vao takatro ny hasarobidin’izy io.” Nisy mpiandraikitra mpitety faritany efa hatramin’ny ela, tany Grande-Bretagne, nilaza fa nanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra sy ny fahaizany mampianatra ny fandinihana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Hoy izy: “Nianarako tao fa zava-dehibe kokoa ny mamaky sy manazava andinin-teny rehefa manao lahateny, na dia manampy aza ny fanoharana tsara.”

Maro ny mpianatra nanoratra ny fankasitrahany an’ilay sekoly. Hoy ny rahalahy iray tany Etazonia: “Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ny fandaminany izahay, noho izy ireo mampahery sy manampy anay hanatontosa ny fanompoanay. Enga anie izahay ka hanompo an’i Jehovah foana, sy hankasitraka ny lalany bebe kokoa, ary ho tia kokoa ny ondriny.” Hoy koa ny mpianatra iray tany Frantsa: “Tsapako kokoa fa ilaina ny maneho fitiavana rehefa mifandray amin’ireo rahalahy sy anabavy, sy hanome ny tsara indrindra mba hahitan’izy ireo fifaliana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.” Mamintina ny fihetseham-pon’ny ankamaroan’izy ireo ny tenin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray tany Portogaly hoe: “Iny sekoly iny no zavatra tena nahafa-po ahy indrindra hatramin’izay nanompoako an’i Jehovah.”

Izao koa no nolazain’ny mpampianatra iray: “Tombontsoa sy andraikitra mavesatra ny mampianatra lehilahy hanome tari-dalana, izay hiankinan’ny ain’ireo rahalahy sy anabavy an’arivony maro. Matoky izahay fa haharitra mandrakizay ny soa azo avy amin’io sekoly io, noho ny fitahian’i Jehovah.”—Jak. 3:1.

Mpiandraikitra mpitety faritany 1 700 mahery no nanatrika an’io sekoly io hatramin’ny faran’ny taom-panompoana 2004, ary natao tamin’ny fiteny 14 izany. Mbola hitohy any amin’ny sampana maro hafa izy io, mandritra ny taom-panompoana 2005.

Raharaham-pitsarana

Namoaka ny didim-pitsarany momba ny raharaha Lotter miady amin’i Boligaria ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg, Frantsa, tamin’ny 19 Mey 2004. Nametraka fitarainana ry Lotter mivady, misionera taloha, satria nanao izay hanesorana azy ireo tany Boligaria ny fitondram-panjakana, noho ny fivavahan’izy ireo. Nanaiky handoa onitra tamin’izy mivady ny fitondrana boligara, sady namela azy ireo hijanona tany Boligaria. Nekeny koa ny hamoaka fanambarana mazava fa efa nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria. Efa tamin’ny 1998 mantsy izy ireo no voasoratra ara-panjakana ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna.

Nanome rariny an’i Séraphine Palau-Martínez ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 16 Desambra 2003. Mpitsara enina tamin’ny fito no niaiky fa nanitsakitsaka ny zon’i Palau-Martínez tamin’ny ankohonany i Frantsa. Nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana eoropeanina izy, rehefa tsy nahazo nitaiza ny zanany roa intsony. Nilaza mantsy ny fitsarana frantsay fa tsara kokoa “[ny ankizy] raha tsy avela hofehezin’ny fitsipika henjana sy tsy milefitra atao amin’ny zanaka ... Vavolombelon’i Jehovah.” Voalaza tao amin’ny didy navoakan’ny fitsarana eoropeanina, fa tsy nijery ny toe-piainan’ireo ankizy ireo akory ny fitsarana frantsay, sady tsy nitady izay hahasoa azy ireo. Niorina tamin’ny fanavakavahana ara-pivavahana ny fanapahan-kevitr’izy io.

Nanatrika tamim-pilaminana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Miara-mandeha Amin’Andriamanitra” ny Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie, rehefa avy niaritra ny fanafihan’ny vahoaka romotra nandritra ny taona maro. Ireo mpivavaka nafana fo tafahoatra no nahatonga izany, ary efa any am-ponja izao ny sasany amin’izy ireo. Tsy nampoizin’ireo rahalahy ny namoahana Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny fiteny géorgien. Nosoratan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho ara-dalàna koa ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, tamin’ny 28 Novambra 2003. Nasain’ny Fitsarana Tampony any Géorgie nofoanana ny fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1998. Misy fikambanana vaovao nekena ho ara-dalàna anefa ankehitriny, ka faly ireo rahalahy.

Mbola betsaka ny raharahan’i Géorgie tsy voatsaran’ny fitsarana eoropeanina. Mahafaly anefa ny mahita ny fihatsaran’ny toe-javatra iainan’ireo rahalahy any an-toerana.

Efa hatramin’ny 1990 ireo rahalahy tany Alemaina no nangataka ny hanoratana ny fivavahantsika ho anisan’ireo fikambanana ara-dalàna. Nasain’ny Fitsarana Federaly Momba ny Raharaham-panjakana nandoa adidy amin’i “Kaisara” mihoatra noho izay notakin’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. (Marka 12:17) Nolavin’ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana ilay didim-pitsarana, satria tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana, ary nasainy naverina nodinihina. Nandinika ilay raharaha indray ilay fitsarana voalohany, tamin’ny 25 Martsa 2004, ary nangataka fanazavana fanampiny momba ny fampidiran-dra, fitaizan-janaka, fandroahana, ary ny toerantsika eo amin’ny raharaha ara-politika. Nilaza ny prezidàn’ny tribonaly fa tokony hiorina amin’ny porofo marim-pototra, toy ny antontan’isa sy antontan-taratasy ara-dalàna, ny fanamelohana ataon’ny fanjakana, fa tsy amin’ny filazana tsy azo antoka avoakan’ny Internet sy taratasin’olona.

Misy anarana fivavahana maro ao amin’ny taratasy hofenoin’ireo antsoina ho miaramila, any Gresy. Anisan’izany ny “Mpino ny Arivo Taona na Jehovista.” Nihevitra ireo anarana ireo ho toy ny fanambaniana ny sampan’i Gresy, ka nametraka fitarainana tany amin’ny Minisiteran’ny Fiarovana. Nanoratra tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny minisitera, tamin’ny 24 Martsa 2004, ary nilaza fa tsy nanana eritreritra ny hanambany mihitsy izy ireo, ary efa “nahitsy ilay anarana diso.” Izao no voasoratra ao amin’ilay taratasy efa voahitsy: “Kristianina Vavolombelon’i Jehovah.”

Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah any Peroa no neken’ny fanjakana ho ara-dalàna. Tsy nomen’ny Minisiteran’ny Fampianarana fahazoan-dalana tsy handoa hetra amin’ny gazetintsika intsony anefa isika, nanomboka tamin’ny Novambra 1997. Nangataka vola be izy io, talohan’ny hamoahana ireo gazety tany amin’ny seranana. Nakarina fitsarana ny raharaha. Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsarana, tamin’ny 11 Desambra 2003. Nolazainy fa “tsy azo antoka, sy tsy misy antony, ary tsy mazava” ny zavatra ataon’ny minisitera. Nolazainy koa fa “manafintohina sady miharo fanavakavahana” ny fihetsiky ny mpitondra. Vetivety ihany dia niravona ny olana momba ny fanafarana gazety.

Voalazan’ny lalàn’i Porto Rico, fa azon’ny olona atao ny manisy vavahady, tamboho, ary mpiambina eo amin’ny toeram-ponenana. Manakantsakana ny asa fitoriana ataontsika izany. Noroahin’ny polisy mihitsy aza ny Vavolombelona nitory tany amin’ny toerana sasany. Nampakatra ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ireo rahalahy, kanefa tsy nahitam-bokany izany. Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Federalin’i Porto Rico ireo rahalahy, ary nangataka azy io mba hanambara fa tsy araka ny lalàm-panorenana ilay didim-pitsarana, satria mandika ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana haneho hevitra. Mbola tsy nivoaka ny didim-pitsarana.

Namoaka ny Didim-pitsarana No. 1756 ny Fitsarana Ambony any Bucarest, tamin’ny 28 Oktobra 2003, ary nandidy ny fitondrana any Romania mba hampiditra ny Vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny lisitra manokana momba ny hetra, toy ny fivavahana ara-dalàna rehetra. Navoakan’ny Gazetim-panjakana No. 112 ny lisitr’ireo “fivavahana ara-dalàna any Romania”, tamin’ny 6 Febroary 2004. Anisan’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nomelohina ho nanao heloka bevava ny rahalahy telo tany amin’ny Repoblikan’i Korea, rehefa tsy nanaiky hanao raharaha miaramila noho ny antony ara-pivavahana. Nanafaka azy ireo anefa ny Fitsaram-paritr’i Séoul, tamin’ny 21 Martsa 2004. Izay vao nisy fitsarana tany amin’io tany io nanaiky fa zon’ny tsirairay ny mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. An-jatony ny rahalahy voafonja ankehitriny any Korea, noho izy ireo “nanao heloka bevava” satria ‘nanefy ny sabany ho fangady.’ (Isaia 2:4) Mampalahelo anefa fa tsy manaiky ny hampidirana ny fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny lalàm-panorenan’i Korea ny fitsarana tampony sy ny fitsarana momba ny lalàm-panorenana, mba hiarovana ireo rahalahintsika. Vao haingana anefa ny fitsarana tany Korea no nanao volavolan-dalàna, mba hisian’ny fanompoana sivily ho an’ireo tera-tany tsy manao raharaha miaramila.—Ohab. 21:1.

Mbola mandray soa avy amin’ny didim-pitsarana noraisin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, momba ny raharaha Tilikambo Fiambenana miady amin’ny Tanànan’i Stratton, ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny fitoriany isan-trano. Mbola nitaky fahazoan-dalana tamin’ny Vavolombelona, ohatra, ny polisy tao amin’ny tanàna iray any New York, Etazonia, talohan’ny nandehanan’izy ireo nanompo. Rehefa nampahafantarina ny lehiben’izy ireo anefa ny zava-niseho sy ilay didim-pitsarana, dia hoy izy: “Mahamenatra ahy ny zavatra nataon’ireo polisy eo ambany fiadidiako, ary ialako tsiny izay mety ho fanelingelenana naterak’izany.”

Nomena toromarika ny minisiteran’ny polisy tany Illinois, mba hampilaza tamin’ny polisy sy ny mpiasa tao aminy fa “tsy mila fahazoan-dalana intsony ny Vavolombelon’i Jehovah alohan’ny hitoriany isan-trano”, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina. Hoy koa ilay toromarika: “Tsy voatery milaza amintsika izy ireo rehefa handeha hitory.”

Nanome rariny an’i Lester Campbell ny Fitsarana Tampony tany Iowa, tamin’ny 8 Oktobra 2003, noho ilay raharaha momba ny fampidiran-dra. Nahazo onitra ny Rahalahy Campbell, satria mbola nampidirina tao aminy ihany ny rany, taorian’ny fandidiana azy, na dia efa nanoratra sy nilaza mazava aza izy fa tsy manaiky an’io fomba fitsaboana io. Nanome rariny ny mpitsabo sy ny hopitaly ny fitsarana niandraikitra an’ilay raharaha voalohany. Nanafoana ny didy navoakan’io fitsarana io anefa ny Fitsarana Tampon’i Iowa, ary nilaza fa tsy nila mpitsabo matihanina i Lester Campbell mba hanaporofo, fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipika eo amin’ny fitsaboana ny fampidiran-dra tsy araka ny sitrapony. Nandidy koa izy io, fa tokony homena onitra izy.

Fandrarana tany Moscou sy ny vokatr’izany

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Golovinsky any Rosia tamin’ny 26 Martsa 2004, fa voarara ny asa rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou, ary foanana ny fikambanany ara-dalàna. Nakarina fitsarana ambony ny raharaha. Nankasitraka an’ilay didim-pitsarana ny Fitsarana Ambony tany Moscou tamin’ny 16 Jona 2004, ary nanomboka nanan-kery ilay fandrarana. Nampakarin’ireo rahalahy tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny raharaha. Miandrandra ny hanaovana an’ilay fitsarana aloha kokoa ireo rahalahy, satria betsaka ny fahasahiranana aterak’ilay fandrarana.

Tsy kivy anefa ireo rahalahy na eo aza ilay fandrarana. Vao mainka aza nanosika ny maro hampitombo ny fanompoany an’i Jehovah izany. Mampahatsiahy ny tenin’ny apostoly Paoly fony izy nigadra tany Roma, ny zotom-pon’izy ireo. Hoy izy: ‘Vao mainka nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra nanjo ahy.’—Fil. 1:12.

Nahatratra 136 034, ohatra, ny isan’ny mpitory tamin’ny Martsa 2004, ary 136 903 ny fampianarana Baiboly. Tampon’isa vaovao izany. Izay vao nihoatra ny isan’ny mpitory ny isan’ny fampianarana Baiboly, tao anatin’ny fito taona! Naharay fangatahana ho mpisava lalana maharitra 1 000 ny sampana tamin’ny Martsa ka hatramin’ny Jona. Nahatratra 15 489 ny isan’ny mpisava lalana maharitra tamin’ny Aprily. Tampon’isa vaovao koa izany. Hoy ny sampana: “Nandrisika an’ireo rahalahy hampitombo ny fanompoany, ilay didim-pitsarana tamin’ny 16 Jona.” Nanosika ny hafa hanomboka hanatrika fivoriana koa izy iny, anisan’izany ny vadin’ny anabavy sasany.

Nisy mpianatry ny oniversite avy any Etazonia sendra tany Rosia, rehefa nivoaka ilay didim-pitsarana tamin’ny Jona. Hoy ny sampana: “Tonga tatỳ amin’ny Betela, atỳ amin’ny sisin’i Saint-Pétersbourg, izy mba hahafantarana bebe kokoa an’ilay raharaha. Nampiaiky azy ny fahadiovan’ireo trano sy ny fomba nandraisana azy.” Tena gaga izy hoe nahoana no rarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nangataka boky sy video izy mba hoentiny any Kalifornia, ary hasehony an’ireo mpampianatra ny taranja fivavahana.

Nizotra tsara ny fivoriambe tany Moscou

Natao tamin’ny 11 ka hatramin’ny 13 Jona, izany hoe taloha kelin’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana, ny Fivoriambe “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”, tany Moscou, ary natao tamin’ny Baiko Moana Rosianina ny iray tamin’izy io. Tokony ho natao talohan’ny fivoriambe ilay fitsarana, kanefa afaka nampihemotra azy io ny Komitin’ny Sampana. Nilaza ireo rahalahy fa nizotra soa aman-tsara ilay fivoriambe, ary niara-niasa tamin’izy ireo ny manam-pahefana tao an-tanàna. Nilazan’ny lehibeny mihitsy aza ireo polisy niandry vavahady hoe: “Aza mifoka sigara, na miteny ratsy ianareo, rehefa mampandroso olona ho ao amin’ny kianja.”

Nampangain’ny lehilahy iray ho nangalatra ny volany ny anabavy vitsivitsy tao anaty lamasinina, tany Moscou. Nasainy niaraka taminy tany amin’ny paositry ny polisy izy ireo. Tsy ireo anabavy ireo ihany no nampangainy rehefa tonga tany, fa ilay “sekta” manontolo mihitsy. Nolazainy fa ataon’izy ireo izay hampikatso ny fifamoivoizana mba handrobana olona. Nanontany an’ireo anabavy ilay polisy hoe: “Iza moa ianareo?”

Nanondro ny karatry ny fivoriambe teny aminy izy ireo, sady namaly hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary handeha hamonjy ny fivoriambenay.”

Nilaza tamin’ilay mpiampanga ilay polisy avy eo hoe: “Tsy mba mangalatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony hiala tsiny amin’izy ireo ianao, satria nanasoketa azy.” Nitodika tany amin’ireo anabavy izy avy eo, ary nilaza hoe: “Mandehana haingana mamonjy ny fivoriambenareo.” “Fa ianao kosa mijanona eo”, hoy izy tamin’ilay lehilahy, “mbola tiako hotohizina ny resatsika.”

Nisy 21 297 ny tampon’isan’ny mpanatrika tao amin’ilay kianja, ary 497 no natao batisa. Nahatratra 929 kosa ny mpanatrika ny fivoriambe tamin’ny baiko moana, izay natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, ary 19 no natao batisa!

Fiatrehana fitsapana tany Haïti

Nanjaka ny hotakotaka ara-politika sy ny herisetra tany Haïti, nandritra ny taona 2004. Tsy nisy firy ny zavatra ilaina andavanandro ary nisondrotra ny vidim-piainana. Nanampy trotraka koa ny tondra-drano nahatsiravina tamin’ny Mey. Olona 1 500 mahery no maty, ary an’arivony no tsy nanan-kialofana. Tsy nisy Vavolombelona namoy ny ainy, kanefa maro no namoy izay nananany rehetra, anisan’izany ny tranony.

Tsapan’ireo rahalahy anefa fa tena nanampy sy nitari-dalana i Jehovah, ary nampahery azy ireo izany. Teo koa ny fiahiana feno fitiavana avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana sy ireo rahalahy maneran-tany. Nanome fanampiana ho an’ireo tra-boina izy ireo. Mazava ho azy, fa nifanampy koa ireo rahalahy teo an-toerana, mba hahazoana sakafo sy zavatra ilaina hafa.

Nanaraka ny fizotran’ny toe-draharaha foana ny sampan’i Haïti, mba hahafahany hanome toromarika ny fiangonana. Rehefa nitombo, ohatra, ny herisetra tao Port-au-Prince renivohitra, dia nanoro hevitra ny anti-panahy ny Komitin’ny Sampana mba handamina ny fivoriana iray andro mialoha, fa tsy hatao ny alahady 29 Febroary. Feno fahendrena tokoa io torohevitra io, satria tamin’io alahady io indrindra ny filoham-pirenena no nametra-pialana ary lasa nialokaloka tany an-toeran-kafa noho ny tahotra. “Nirefotra ny poa-basy, ary feno hotakotaka nanerana an’ilay renivohitra”, araka ny filazam-baovao. Hoy ny sampana: “Tsy nisy nanampo an’io toe-javatra io mihitsy. Tsy ho azo natao mihitsy ny nandeha nivory tamin’io alahady io. Velom-pisaorana an’i Jehovah izahay, satria nieren-doza ireo rahalahy.”

Nanao barazy teny an-dalana ny polisy sy ny miaramila mpanohitra ary ny mpandroba, nandritra io vanim-potoana feno hotakotaka io. Nandrara ny fivezivezena tamin’ny alina koa ny fitondrana. Efa nanova ny ora fivoriany anefa ny fiangonana talohan’izay, mba ho tonga soa aman-tsara any an-trano ny rehetra raha mbola mazava ny andro. Maro ny fiangonana nitatitra fa nitombo ny isan’ny mpanatrika fivoriana!

Nazoto nanompo foana koa ireo rahalahy, ary nampiaiky volana ny mpiara-monina izany. Hoy ny sasany taminy: “Mampahery ny mahita anareo Vavolombelona manohy ny asa fitorianareo.” Mazava ho azy fa mitandrina tsara ny mpitory, ary mifampilaza foana hoe aiza no toerana milamina kokoa, ka azo anaovana fanompoana.

Voaro isika rehefa fantatra fa Kristianina

Nanoratra toy izao ny sampan’i Haïti: “Rahalahy maro no tsy voadaroka na voaroba, noho izy ireo fantatry ny manodidina azy, sady fantany fa tsy manao politika.” Intelo nosakanan’ny andian-jiolahy nanao barazy sy nirongo fiadiana, ohatra, ny mpivady misionera iray. Zavatra roa no nataon’izy mivady: Nilaza aloha izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah, ary avy eo nivavaka mangina sy nivavaka tamin’ny feo avo. Nisy olona niaro azy ireo foana tamin’ireo barazy telo. Nolazain’izy ireny fa olona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manao politika. Tonga soa aman-tsara tany an-tranony io mpivady io.

Nanakana mpianakavin’ny Betela koa ireo olona mitam-piadiana. Nanao toa an’ireo misionera ireo rahalahy, ka nilaza fa Vavolombelona ny tenany. Nivavaka koa izy ireo, ary navela handeha. Hoy ny jiolahy iray: “Mandehana amim-piadanana, ary mivavaha ho anay!” Nisy Betelita iray hafa nosakanan’ny polisy, ary saika hosavainy ny fiarany sao nisy fitaovam-piadiana. Hoy ilay rahalahy: “Baiboly sy gazety Ny Tilikambo Fiambenana ary Mifohaza! ihany no fitaovam-piadiana ananako.” Nitsiky ilay polisy, ary navelany handeha izy. Fantatr’ilay polisy ny fiaran’io Betelita io taorian’izay, na dia mbola lavitra aza, ary tonga dia navelany handeha.

Nilaza ny sampana fa efa nihatsara ny toe-draharaha, volana vitsivitsy taorian’izay. Mbola nisy ihany anefa ny olana sy ny fifandonana. Mbola mitandrina ihany àry ireo rahalahy.

Nohatsaraina ny fanontam-pirintin’i Etazonia

Nanomboka tamin’ny 2002 ny tetikasa fanatsarana ny fanontam-pirinty, teo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana. Hozarazaraina any amin’ny faritra dimy izy io, dia i Afrika, Amerika Avaratra sy Atsimo, Azia, ary Eoropa. Miasa amin’ny fomba tsara kokoa ny tranon’ny sampana, noho io fandaharana io. Anisan’izany ireo any Etazonia, satria mihena ny asa atao any an-toerana.

Nalefa tany Wallkill, New York, avokoa ny asa fanontam-pirinty, fanakambanam-boky ary ny fandefasan’entana any Etazonia, tamin’ny 2004. Nentina tany amin’ny birao misahana ny fanajariana ny tanàn-dehibe ilay tetikasa, tamin’ny 6 Aogositra 2002. Nisy fivoriana natrehin’ny besinimaro tamin’ny 3 Septambra, ary nekena ilay tetikasa. Nolazaina tamin’ny fivoriana fanao isan-taona ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower, ny 5 Oktobra 2002, fa neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanaovana ny asa rehetra any Wallkill. Milina fanontam-pirinty MAN Roland Lithoman roa no nohafarana, ary nokasaina ho vita tamin’ny Febroary 2004 ny trano fanampiny hasiana azy ireo.

Ahoana no hamitana izany tetikasa goavana izany ao anatin’ny herintaona sy roa volana? Niantehitra tamin’i Jehovah ireo rahalahy mba hitarika an’ilay raharaha, sy hampirisika olona hanolo-tena an-tsitrapo. Novalian-tsoa ny fatokisan’izy ireo. Nanomboka ny asa fanorenana tamin’ny Febroary 2003, ary vonona ilay trano fanontam-pirinty vaovao tamin’ny Septambra. Noravana ny milina fanontam-pirinty voalohany tamin’ireo telo efa nisy tany Wallkill, ary nafindra tao amin’ilay trano fanontam-pirinty vao nitarina, tamin’ny Desambra. Tonga tamin’ny Aprily sy Mey 2004 ireo milina vaovao roa, ary nanomboka niasa tamin’ny Jona sy Jolay. Efa niasa tamin’ny fomba feno ireo milina fanontam-pirinty dimy tamin’ny Septambra.

Rihana folo no nisy ny fanakambanam-boky teo aloha, tao amin’ireo trano telo teo amin’ny Adams Street, any Brooklyn. Efitra iray ihany anefa no misy ny fanakambanam-boky iray manontolo, any Wallkill, ary nihena 58 isan-jato ny toerana misy azy. Nanomboka tamin’ny Jolay 2004 ny fanakambanana ireo boky misy fonony malemy. Tamin’ny faramparan’io volana io kosa no vita ireo boky misy fonony mafy voalohany. Efajato metatra ny halavan’ilay fanakambanam-boky misy milina 33, izay mifampitohy amin’ny alalan’ny fitaovana mpitatitra entana 70. Eo am-boalohany ihany no misy mpiasa mikarakara ireo pejy efa voazaitra. Mamokatra boky 120 isa-minitra ilay milina mpamokatra boky misy fonony mafy, ary 25 monja ny isan’ny mpiasa misahana izany. Nihena 66 isan-jato àry ny isan’ny mpiasa. Tamin’ny Oktobra 2004 no niasa tamin’ny fomba feno ny milina fanakambanam-boky iray manontolo.

Nanomboka nandefa ny fanafaran’ny fiangonana ilay Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana vaovao any Wallkill, tamin’ny Novambra 2004. Programa vaovao tamin’ny ordinatera no nanatontosana izany. Nihena 45 isan-jato ny toerana misy azy io, raha oharina amin’ilay tany Brooklyn. Ny ordinatera no mikajy ny haben’ny entana halefa sy mifidy ny baoritra sahaza azy. Vonona ny halefa izy ireo aorian’izay, ary taterin’ny fitaovana iray mahatratra 800 metatra, hatrany amin’ny toerana handraisana azy. Afaka mandray ny fanafarany ao amin’ny toerana iray tafiditry ny fiara ny fiangonana eo an-toerana.

Isaorana eram-po eran-tsaina ireo rahalahy sy anabavy nanampy tamin’ny fanatontosana io tetikasa io. Anisan’izany ny Betela sy ireo mpiasa tsy maharitra, ireo mpiasan’ny fanorenana avy amin’ny firenena dimy, ary ireo rahalahy nanome ny fitaovany manokana. Isaorana koa ireo “mpanome amim-pifaliana” maro, izay nanohana ara-bola an’ilay tetikasa.—2 Kor. 9:7, 11.

Fiovana tany Brooklyn

Niova endrika ny Betelan’i Brooklyn, rehefa nafindra tany Wallkill ny fanontam-pirinty sy ny fanakambanam-boky, ary ny fandefasana entana. Fotoana nanan-tantara sady nampihetsi-po ny 29 Aprily 2004. Tamin’io takariva io i Max Larson, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty nandritra ny 60 taona mahery, no nanajanona ny milina fanontam-pirinty farany tany Brooklyn. Nifarana hatreo ny asa fanontam-pirinty natao tany an-toerana nandritra ny 84 taona. Tao anatin’ny tehaka sy ny ranomaso no nanaovana izany. Herinandro vitsivitsy taorian’izay vao nakatona ilay toerana fanakambanam-boky.

Nihena be ny isan’ny rihana nilaina tany Brooklyn, noho ilay fiovana. Nanambara àry ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny Jona 2003, fa hamidy ny trano eo amin’ny 360 Furman Street. Vita tamin’ny zoma 18 Jona 2004 ny fifanekena ara-barotra. Nafindra any amin’ireo trano eo amin’ny 117 Adams Street ny fanasan-damba, birao, ary toeram-piasana tao amin’io trano 93 000 metatra toradroa io.

Havaozina koa izao ilay trano eo amin’ny 107 Columbia Heights. Kasaina ho vita amin’ny faramparan’ny taona 2005 ny toeram-ponenana ao amin’izy io, ary amin’ny Septambra 2006 ny tetikasa iray manontolo. Hasiana Betelita 300 mahery ilay trano nohavaozina, ary hisy toerana fanatobiana entana, Efitrano Fanjakana, efitra famakiam-boky, efitra fiandrasana olona, birao, toerana azon’ny tsirairay anasana lamba, ary zaridaina vaovao.

Vonona hiatrika ny fitomboana maneran-tany

Efa nahazo milina fanontam-pirinty MAN Roland Lithoman koa i Afrika Atsimo, Brezila, Grande-Bretagne, Japon, ary Meksika. Tany amin’ny sampan’i Grande-Bretagne no natao ny fametrahana an’ilay milina voalohany. Tonga tamin’ny Jolay 2003 izy io, ary nanomboka namokatra tamin’ny Oktobra. Manao pirinty gazety 750 000 isan’andro izy io, izany hoe 1 tapitrisa sy sasany raha miasa andro sy alina. Efa ho avo telo heny noho ny vitan’ilay milina teo aloha izany.

Afaka manao pirinty fitambaram-pejy anaovana Baiboly na boky hafa koa io fanontam-pirinty vaovao io. Efa nanao pirinty fitambaram-pejy hanaovana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny sesotho, ohatra, ny sampana atsy Afrika Atsimo. Nilaza ny sampana any Japon fa nila iray andro izy ireo vao afaka nanova ny programa fanaovana pirinty boky kely velarana, mba hanaovana boky be velarana. Tsy mila afa-tsy adiny iray anefa izany ankehitriny. Vita pirinty ao anatin’ny adiny dimy monja izao ny taratasy mivalona iray tapitrisa, raha nitaky folo andro izany teo aloha. Namokatra taratasy mivalona 12 tapitrisa, gazety sy bokikely 12 tapitrisa, boky 240 000, ary Baiboly 48 000 ny fanontam-pirinty tany Japon, nandritra ireo telo volana voalohany niasany.

Misy masinina vaovao manapaka, manisa, manasokajy, manisy anarana, ary mamono ireo boky sy gazety. Ahitana fahombiazana sy marina kokoa izao ny fampiasana ireo takela-by fanaovana pirinty, noho izy io ampifandraisina mivantana amin’ny ordinatera. Tsy ilaina intsony, araka izany, ny mampiasa porofon-tsary. Nilaza ny sampan’i Grande-Bretagne fa sady nampitombo ny entana novokarina io fanatsarana io, no nampihena ny isan’ny mpiasa nilaina koa.

Fiofanana tany Alemaina

Nandeha niofana tany amin’ny orinasa MAN Roland tany Alemaina ny ekipa avy amin’ireo sampana enina. Efa nampiofana mpiasan’ny fanontam-pirinty tsy Vavolombelona ireo mpampianatra tao, ka nino fa hihevitra ny fotoana ijanonany any ho toy ny fialan-tsasatra ireo rahalahy. Tena gaga àry izy ireo, rehefa nahita ny fahazotoan’ireo rahalahy. Nangataka ny hanomboka aloha ireo Vavolombelona, ary tsy nijanona raha tsy hariva be, mba hianarana zavatra betsaka araka izay azo atao.

Sahirana ihany ny mpianatra sasany, satria tamin’ny teny anglisy avokoa na ny fampianarana na ny boky manazava an’ireo milina. Efa nieritreritra izany mialoha ny ekipa japoney, ka niezaka mafy mba hanatsara ny fahaizany teny anglisy, talohan’ny nandehanany tany Alemaina. Maro tamin’izy ireo aza no nifindra tany amin’ny fiangonana miteny anglisy, nandritra ny fotoana kelikely.

Nanao fitoriana tsara ny Betelita

Tonga tany amin’ireo sampana ny milina fanontam-pirinty taorian’izay. Nanakambana azy ireo ny injenieran’ny orinasa MAN, ary nisy Betelita nanampy azy. Nisy vokany tsara teo amin’ireo mpiasa tsy Vavolombelona ny fifaliana sy ny fiainana nahafinaritra tao amin’ireo sampana enina. Nisy mpiasa nilaza toy izao tamin’ny rahalahy iray tany Londres: “Nandeha nody aho halina ary nahita ny mpifanila trano tamiko teo an-jaridainany. Tsy dia azoazoko loatra izy io, kanefa niresaka taminy nandritra ny 20 minitra aho. Hay tena mahafinaritra ilay Ranamana.” Nilaza koa io teknisianina io, fa nahamarika ny fiovana teo amin’ny fihetsiny ny vadiny, ka nilaza hoe: “Lasa tsara fanahy ianao, ary mitsikitsiky sady miarahaba olona.”

Namaly izy hoe: “Niara-niasa tamin’ny Vavolombelona nandritra ny iray volana sy tapany aho. Tsy niteny ratsy mihitsy aho nandritra ny tapa-bolana farany, na dia indray mandeha aza. Antenaiko fa tsy hiteny ratsy intsony aho.”

Niantso ny sampana ny tompon’andraikitra iray avy amin’ny orinasa MAN, rehefa vita ny fametrahana ireo fitaovana tany Londres. Nisaotra ireo rahalahy izy, noho ny fomba nikarakarany ny mpiasan’ilay orinasa. Nilaza izy fa tsy nahitana olana mihitsy ny fametrahana an’ilay milina.

Nasian’ny sampana sasany toerana fisakafoanan’ny mpiasa teny amin’ny toeram-piasan’izy ireo. Sambany ny ankamaroan’izy ireo, indrindra ireo tsy Vavolombelona, vao mba nanana mpandroso sakafo madio sy milamina. Mbola tsy nahita toerana fanontam-pirinty madio sy milamina toy ilay tao amin’ny sampana mihitsy, ny teknisianina iray tany Japon. “Tsy misy toeram-piasana tsara noho izao mihitsy”, hoy izy. Gaga koa izy rehefa nahita fa manao ny marina ireo rahalahy. Teo ihany no nahafahany namela ny fitaovany, kanefa tsy natahorana hisy hangalatra. Naniry hianatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nandray gazety be dia be, ary nitsidika ny sampana.

Nasain’ireo rahalahy tany Meksika nanatrika Fahatsiarovana ny teknisianin’ny orinasa MAN. Efatra no nanaiky. Tsy mba nanana akanjo mendrika an’izany anefa izy ireo. Naniry hividy kompile izy ireo, ka nitondra azy tany amin’ny mpivarotra ny Betelita iray. Nomen’ireo rahalahy Baiboly ireo lehilahy ireo, ary nampiana hijery andinin-teny nandritra ny lahateny. Naka sary ireo teknisianina rehefa vita ny fivoriana, ary tena nitsikitsiky be, hany ka maro ny rahalahy nihevitra fa Betelita avy any Alemaina izy ireo.

Efa fitoriana tamin’ireo mpiantoka trano sy ireo mpamatsy fitaovana teo an-toerana koa ny zavatra hitany tany amin’ny sampana rehetra. Nanoratra toy izao ny mpiantoka iray tany Etazonia: “Tena nampiaiky ahy ny hatsaran’ny fandaminanareo, indrindra fa ny toetra tsaran’ny olona. Tena nankafiziko ny nanao fanorenana niaraka taminareo, ary heveriko fa tsy hahita fifaliana toy izany mihitsy aho any an-toeran-kafa. Hitako avy amin’ny fandaminanareo, fa manana hoavy tsara ny olombelona. Raha azo natao anaty tavoahangy ka namidy ny hafanam-po sy ny fiahiana, dia ny anareo no ho be mpividy indrindra.”

Gaga ny lehilahy iray namatsy ny fantsona nilaina tamin’ilay fanontam-pirinty vaovao, rehefa nahatsikaritra ny fahanginana tao amin’ilay sampana. Nametraka fanontaniana maro be izy. Mianatra Baiboly izao izy sy ny fianakaviany, ary manao fandrosoana tsara. Nanao fangatahana hafakely ny lehiben’ny ekipa mpanao fanorenana teo an-toerana. Hoy izy: “Manome anay falimpo ny olona mazàna ho fankasitrahany ny asa ataonay. Kanefa, tsy mampaninona anareo ve raha omenareo Baiboly iray avy izahay, fa tsy vola? Tsapako tamin’ny zavatra hitako teto, fa mbola zava-dehibe noho ny vola ny fahalalana ny Baiboly.”

Fitokanana ny sampan’i Inde

“Tonga ihany tamin’ny farany ny 7 Desambra 2003, izay nandrasana hatry ny ela”, hoy ny sampan’i Inde. “Io ilay andro nitokanana ny sampana vaovao, izay naorina tany Bangalore, any atsimo afovoan’i Inde.”

Toy ny tanàna kely ireo fitambaran-trano 30 000 metatra toradroa, eo amin’ilay toerana 17 hektara. Io no sampana lehibe naorin’ny kompania tsy Vavolombelona voalohany eran-tany. Misy toerana fanadiovana rano fisotro, fanodinana rano maloto, ary fitaovana mpamokatra herinaratra ao amin’izy io. Misy birao 122 ao amin’ireo fitambaran-trano, anisan’izany ireo birao 80 ho an’ny mpandika teny. Ao koa ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy sy ny trano fanontam-pirinty lehibe. Misy efitra mampiadana ao amin’ireo toeram-ponenana telo, sady ahitana toerana fanasan-damba, efitra fisakafoana, ary lakozia ampy fitaovana tsara. Vita tao anatin’ny roa taona ny asa fanorenana rehetra, ary akora teo an-toerana no tena nampiasaina.

Nanomboka tamin’ny 1905 ny asa fitoriana tany Inde. Adika sy atonta amin’ny fiteny karàna 26 izao ny boky sy gazety. Nitantara zavatra nampahery ny misionera nanompo tany Inde nandritra ny taona maro, tamin’ny fitokanana. Ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy 2 933 ny mpanatrika, anisan’izany ireo vahiny 150 avy amin’ny firenena 25.

Fitokanana ny sampan’i Philippines

“Tianay ho tsara toy ny an’ny Tilikambo Fiambenana ny asanay!” Izany no nolazain’ny mpanao fanorenana tsy Vavolombelona tany Manille, rehefa nahita ny hatsaran’ny tranon’ny sampana any Philippines. Nanao fanadihadiana momba ny fitsipika mifehy ny fanorenana ny ekipan’ny televiziona iray. Izao no nolazain’izy ireo tamin’ny injeniera tao an-tanàna: “Raha te hahita toerana manaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsipika mifehy ny fanorenana ianareo, dia mandehana any amin’ny Tilikambo Fiambenana.”

Nanorina toeram-ponenana vaovao misy rihana sivy sy trano fanampiny ireo rahalahy. Nohavaozina koa ny toeram-ponenana iray nisy rihana sivy, izay naorina tamin’ny 1991. Nahoana no nilaina io fanitarana io? Nitombo 34 000 ny isan’ny mpitory teo anelanelan’ny taona 1991 ka hatramin’ny 2003. Mahatratra 144 000 mahery kely izao ny tampon’isan’ny mpitory!

Natao tamin’ny asabotsy 1 Novambra 2003 ny fitokanana. Nanatrika izany ny mpianakavin’ny Betela, misionera tany taloha, vahiny avy amin’ny firenena 13, ary rahalahy sy anabavy 2 000 mahery avy tao an-toerana. Nisy 2 540 ny mpanatrika. Ny Rahalahy Stephen Lett no nanao ilay lahateny hoe: “Ankasitraho ny Trano Fivavahana Amin’i Jehovah Fahiny sy Ankehitriny.” Nisy fandaharana manokana ny ampitso maraina tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Manille. Nanatrika izany ny mpisava lalana sy anti-panahy ary ny vadin’izy ireo, izay nitontaly 8 151.

Misy 20 092 ny tontalin’ny mpanompo nekena hiasa ao amin’ireny sampana ireny eran-tany. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana Eran-tany, izy rehetra.

[Efajoro, pejy 21, 22]

Nalaina An-keriny Tamin’ny Andro Antoandro

Nandeha teo amin’ny lalana iray tao Pétionville, Haïti, i Carl, Vavolombelona 20 taona, ny zoma 19 Martsa 2004, tamin’ny mitataovovonana. Bebe olona ihany tamin’io. Tampoka teo, indreo nisy lehilahy maromaro nirongo fiadiana sy nanao akanjo mainty, nanery azy hiditra tao anaty kamiao kely. Nosaronan’izy ireo ny lohany ary nentiny nirifatra izy. Hoy i Carl:

Nampidirina tao amin’ny efitra iray efa nisy olona voasambotra aho, rehefa niala avy tao amin’ilay kamiao kely. Angamba izy ireo mpianatry ny oniversite nampangaina ho nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana ara-politika. Efa vonon-kiady mafy ireo mpisambotra anay ka nanao tifitra vary raraka. Maty tamin’izany ny iray taminay, ary reko nidona teo amin’ny tongotro ny lohany. Nanomboka nametraka fanontaniana sy nampitahotra ahy izy ireo avy eo. Nokapohiny sy nazerany teo amin’ilay faty aho, satria tezitra izy ireo.

“Valio ny fanontanianay!”, hoy ny lehiben’izy ireo.

“Tsy mahalala na inona na inona momba ny politika aho”, hoy aho namaly.

“Hovonoiko izao dia izao ialahy izany!”, hoy izy nikiakiaka.

Niangavy anefa aho hoe: “Avelao àry aho aloha hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitro, mba hangataka azy hampahery ny ray aman-dreniko sy ny zandriko, satria tsy hahita ahy intsony ry zareo.”

“Ataovy haingana fa maika aho!”, hoy izy.

Nivoaka ny efitra ilay lehilahy raha mbola nivavaka mafy aho. Hoy aho anakampo rehefa niverina izy: ‘Tonga ny fotoana, ry Carl. Mivonòna amin’izay fa ho faty ianao.’ Tsy nampoiziko anefa ny zava-nitranga.

Nanontany ilay lehilahy hoe: “Ianao ve no Carl ... [anarako feno]?”

“Eny”, hoy aho sady nanontany tena hoe ahoana no nahafantarany ny anarako.

Nanazava izy fa efa imbetsaka aho no nitondra azy tamin’ny fiarako. Tsy te hanisy ratsy ahy intsony izy, satria efa fantany izao hoe iza aho. Ireo zavatra nolazaiko tao anatin’ilay vavaka angamba no nahatadidiavany ahy, na dia nisarona aza ny lohako. Nivoaka indray izy, ary niady hevitra be niaraka tamin’ireo namany. Farany, dia nisy olona nampiditra ahy tao anaty kamiao kely indray, ary nitondra ahy. Natosiny nivoaka teo amin’ny arabe aho rehefa ela ny ela. Tena fitsapana nampahatahotra iny, kanefa nanamafy ny finoako an’i Jehovah sy ny herin’ny vavaka.

[Tabilao/Sary, pejy 12, 13]

ZAVA-NITRANGA VITSIVITSY TAMIN’NY TAOM-PANOMPOANA 2004

1 Septambra 2003

Septambra: Natao tany amin’ny sampana 88 ny Sekolin’ireo Mpiandraikitra Mpitety Faritany nandritra ny taom-panompoana 2004.

Oktobra: Nanomboka nampiasa ny fanontam-pirinty MAN Roland Lithoman ny sampan’i Grande-Bretagne.

28 Oktobra: Namoaka didy ny fitsarana any Romania, fa hampidirina ao anatin’ny lisitra manokana momba ny hetra, toy ny fivavahana ara-dalàna rehetra, ny Vavolombelon’i Jehovah.

1 Novambra: Notokanana ny sampan’i Philippines.

28 Novambra: Nosoratan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho ara-dalàna ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie.

7 Desambra: Notokanana ny sampan’i Inde.

1 Janoary 2004

26 Martsa: Namoaka didy ny Fitsarana any Golovinsky fa voarara any Moscou ny Vavolombelon’i Jehovah. Nakarina fitsarana ambony ny raharaha.

Aprily: Nisy 15 489 ny isan’ny mpisava lalana maharitra tany Rosia. Tampon’isa vaovao izany.

29 Aprily: Nakatona ny trano fanontam-pirinty tany Brooklyn, rehefa avy niasa nandritra ny 84 taona. Any Wallkill ny trano fanontam-pirinty vaovao.

1 Mey 2004

Mey: Nanampy trotraka ny korontana politika tany Haïti ny tondra-drano nahatsiravina. Tsy nisy rahalahy namoy ny ainy.

16 Jona: Nanohana ny didim-­pitsarana nivoaka tamin’ny 26 Martsa ny Fitsarana Ambony any Moscou. Nanomboka nanan-kery ilay fandrarana. Nampakarina any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny raharaha.

31 Aogositra 2004

[Sary, pejy 11]

Navoaka tamin’ny fiteny géorgien ny “Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”

[Sary, pejy 27]

Rahalahy mampandeha ny iray amin’ireo fanontam-pirinty MAN roa vaovao any Wallkill, Etazonia

[Sary, pejy 29]

Sampana notokanana vao haingana any Bangalore, Inde

[Sary, pejy 30]

Sampana nitarina any Philippines