Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Romania

Mpitsikilo, rahalahy sandoka, fampijalijaliana, fanagadrana, ary asa an-terivozona. Izany no anisan’ny tetika tsy nahomby nampiasain’i Satana, mba hanakiviana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Romania sy hanafoanana ny fikambanan’izy ireo. Ho hitanao ato ny tantaran’i Ioan, izay nivavaka tamin’ny feo avo, teo anatrehan’ireo miaramila hitifitra azy. Ho fantatrao koa ny momba an’i Teodor, izay nanao hiran’ilay Fanjakana niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa, tao anatin’ny zera baomba. Nisy olona nandeha an-tongotra tsy nikiraro tamin’ny lalana 100 kilaometatra teo ho eo, mba hanatrehana fivoriana. Ho hitanao ato koa ny antony nilazan’ny ankizilahy iray hoe: “Dada a, hoatran’ny fofon’ny teny vakina ny fofon’i Dada!”

Zambia

Fandraran’ny fanjakana, fandroahana misionera, ary fanesorana mpianatra tany an-tsekoly. Izany kosa no zava-tsarotra sasany natrehin’ireo rahalahy tany Zambia. Holazaina ato ny tantaran’ilay ankizivavy mpianatra sahy niaro ny vaovao tsara teo anatrehan’ny fitsarana, sy ilay mpitsoa-ponenana kilemaina “haingam-pandeha noho ny voromahery”, ary ny Mpianatra ny Baiboly iray nokaravasina. Horesahina ato koa ny amin’ilay Land Rover nirehitra, ilay tranom-bitsika napoaka, ary ilay efitrano fivoriana toy ny soavaly mainty. Ny moka, lalitra, bibilava, ary liona koa mba voaresaka ao amin’ny tantaran’ireo rahalahintsika, izay niady mafy mba hitoriana ny vaovao tsara nanerana an’io tany afrikanina tsara tarehy io.