Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Romania

Romania

Romania

Efa nilaza ny Baiboly fa hahatratra ny fara tampony ny fanenjehana ny tena Kristianina, amin’ny andro farany. (Gen. 3:15; Apok. 12:13, 17) Niavaka ny fahatanterahan’io faminaniana io teto Romania. Ho hitanao ao amin’ity fitantarana ity anefa, fa tsy navelan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Romania ho faty ny afon’ny fahamarinana, izay miredareda ao am-pon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Jer. 20:9) Nampiseho ny tenany ho “mpanompon’Andriamanitra” kosa izy ireo, ‘tamin’ny fiaretana be, tamin’ny fahoriana, tamin’ny tsy fisiana, tamin’ny zava-tsarotra, tamin’ny kapoka, tamin’ny fonja.’ (2 Kor. 6:4, 5) Enga anie ny tsy fivadihan’izy ireo hampahery an’ireo rehetra maniry hiara-mandeha amin’Andriamanitra, amin’izao fotoan-tsarotra izao.

Tamin’ny 1914 no nanomboka ny vanim-potoana iray nampidi-doza indrindra teo amin’ny tantara. Nanjaka tany amin’ny firenena eoropeanina maro ny mpitondra jadona tsy nifaditrovana sy ny antoko politika nahery fihetsika ary ny fandatsahan-dra naharikoriko. Latsaka tao anatin’izany i Romania, ka nijaly be ny olona. Nijaly koa ireo tapa-kevitra ny handoa ‘amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’ sy tsy hanompo ny fitondram-panjakana, ho fankatoavana an’i Jesosy.—Matio 22:21.

Ny mpitondra fivavahana ortodoksa sy katolika no nitarika ny fanafihana ny vahoakan’i Jehovah, talohan’ny 1945. Ny toriteny sy ny mpanao politika ary ny polisy no nampiasain’izy ireo. Ny Kominista indray avy eo no nampihatra fanenjehana nahery vaika sy voalamina, nandritra ny efapolo taona teo ho eo.

Nahoana no afaka niely foana ny vaovao tsara, na dia teo aza izany fampahoriana izany? Satria nitana ny teniny i Jesosy. Hoy izy: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Andeha isika hanao jery todika ny zava-nitranga, zato taona lasa izay. Tamin’izany ny voan’ilay Fanjakana no nafafy voalohany tany amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Eoropa Atsinanana.

Romanianina nody an-tanindrazana

Nanao dia fitoriana tany Eoropa Atsinanana i Charles Russell tamin’ny 1891, ary nitsidika faritra maro. Somary nandiso fanantenana azy anefa ny vokatra azo. Hoy izy: “Tsy nahita olona vonona handray ny fahamarinana izahay.” Tsy ela anefa dia niova ny toe-javatra. Azo lazaina aza fa nandray anjara lehibe tamin’ny fanombohan’ny asa teto ny Rahalahy Russell, na dia tsy nivantana aza izany. Nahoana?

Nanosika ny olona hitady asa tany an-toeran-kafa, toa an’i Etazonia, ny toe-draharaha ara-toe-karena sy sosialy teto Romania, rehefa nadiva hifarana ny taonjato faha-19. Tsy vola aman-karena fotsiny anefa no azon’ny sasany tamin’izy ireny, fa ny fahalalana tsara ny fahamarinana ara-baiboly koa. Anisan’ireny i Károly Szabó sy József Kiss, lehilahy tia nianatra momba an’Andriamanitra. Nihaino lahateny ara-baiboly maromaro nataon’i Russell izy ireo.

Ny Rahalahy Russell mihitsy no nanapa-kevitra hiresaka tamin’izy roa lahy, rehefa hitany fa tena liana tamin’ny Baiboly izy ireo. Notoroany hevitra izy mirahalahy mba hody teto Romania, ka hitory amin’ny havana aman-tsakaiza. Nanaiky izy ireo, ka nandeha sambo niverina teto tamin’ny 1911, ary nanorim-ponenana tao Tîrgu Mureş, Transylvanie.

Nivavaka ny Rahalahy Szabó teny an-dalana, mba hisy amin’ny fianakaviany hanaiky ny fahamarinana. Nanao zavatra nifanaraka tamin’izany izy rehefa tonga, ka nitory tamin’ny havany. Anisan’izany i Zsuzsanna Enyedi, vehivavy katolika, zanaky ny iray tam-po taminy, izay nampiantrano azy. Mpanao zaridaina ny vadin’i Zsuzsanna, fa izy kosa mpivarotra voninkazo teny an-tsena.

Namonjy Lamesa izy isa-maraina, talohan’ny nandehanany niasa. Nandeha nivavaka teo an-jaridaina koa izy isan’alina, rehefa lasa natory ny fianakaviany. Nandinika izany rehetra izany i Károly, ka nankeo an-jaridaina koa, indray alina. Napetrany moramora teo an-tsorok’i Zsuzsanna ny tanany, sady hoy izy: “Tena tso-po ianao, ry Zsuzsanna. Hahita ny fahamarinana ianao.” Nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana tokoa io vehivavy io, araka ny efa nolazain’ny dadatoany, ary izy no voalohany nanolo-tena ho an’i Jehovah tao Tîrgu Mureş. Tsy nivadika mihitsy izy, mandra-pahafatiny, tamin’izy 87 taona.

Nitory tamin’i Sándor Józsa koa ny Rahalahy Szabó. Niasa tao amin-dry Enyedi io tovolahy io. Nanatrika ny fivoriana rehetra notarihin’ireo rahalahy roa i Sándor, sady nandroso haingana. Tsy ela dia nanomboka nitory io tovolahy 18 taona io, ary nanao lahateny tsara sy araka ny Soratra Masina tao an-tanànany, dia i Sărăţeni, any amin’ny faritr’i Mureş. Anisan’ny olona nampiany ho tonga tao amin’ny fahamarinana, ka toy ny hoe ‘taratasy fiderana’ azy, ny mpivady enina sy ankizilahy 11 ary ankizivavy 13.—2 Kor. 3:1, 2.

Nitory eran’i Transylvanie ny Rahalahy Kiss sy Szabó, ary tao Tîrgu Mureş no nanombohany izany. Nihaona tamin’ny Batista antsoina hoe Vasile Costea izy ireo, tao Dumbrava, 30 kilaometatra avy eo Cluj-Napoca. Fohifohy izay i Vasile, ary hentitra sy nazoto nianatra Baiboly. Nanahiran-tsaina azy ny momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka nihaino tsara izy rehefa nanazava ny Soratra Masina taminy i József sy Károly. Afaka nanazava tsara ny fahamarinana tamin’ireo Hongroà sy Romanianina tao amin’ny faritra nisy azy i Vasile, taorian’ny batisany, satria nahay fiteny hongroà koa izy. Lasa mpisava lalana (mpitory manontolo andro) izy tatỳ aoriana, ary nitohy mandra-pahafatiny izany.

Nitory ny vaovao tsara tany Satu Mare, tanàna any amin’ny farany avaratrandrefan’i Romania, koa ny Rahalahy Szabó. Nihaona tamin’i Paraschiva Kalmár izy tany. Nanaiky ny fahamarinana avy hatrany io vehivavy natahotra an’Andriamanitra io. Nampianariny ho tia an’i Jehovah ny zanany sivy. Misy Vavolombelon’i Jehovah daholo izao ny taranany, hatramin’ny zanaky ny zafiafiny!

I Alexa Romocea no Romanianina hafa nianatra ny fahamarinana tany Etazonia, sy niverina teto Romania, talohan’ny Ady Lehibe I. Nody tao Benesat tanàna niaviany, any avaratrandrefan’i Transylvanie, izy. Nisy olona vitsivitsy nianatra Baiboly sy nanomboka nivory tao, tsy ela taorian’izay. Anisan’izany i Elek sy Gavrilă Romocea zana-drahalahiny. Misy Vavolombelon’i Jehovah daholo koa izao ny taranak’i Alexa, hatramin’ny zanaky ny zafiafiny.

Tsy nety nitsabaka tamin’ny raharahan’izao tontolo izao i Elek, ka nenjehina mafy. Nifindra tany Etazonia àry izy, ka afaka nanatrika ilay fivoriambe niavaka nataon’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) tany Cedar Point, tamin’ny 1922. Izy aza no nandika teny ho an’ny mpanatrika niteny romanianina. Nijanona teto Romania kosa i Gavrilă, ary niaraka tamin’ny Rahalahy Szabó sy Kiss, rehefa nitory sy nitsidika fiangonana sy antoko-mpitory vaovao tany Transylvanie izy ireo. Nanompo tao amin’ilay biraon’ny sampana voalohany teto Romania izy, tatỳ aoriana.

Nosamborina ny Romanianina iray atao hoe Emanuel Chinţe nandritra ny Ady Lehibe I, ary nalefa lavitra ny nisy azy, tany amin’ny fonja miaramila iray tany Italia. Nisy Mpianatra ny Baiboly nigadra tao, satria tsy nety niady. Neken’i Emanuel avy hatrany ny hafatra ara-baiboly notorin’izy ireo. Nafahana izy tamin’ny 1919 ary nody tany Baia Mare, faritr’i Maramureş. Nazoto nitory ny vaovao tsara izy, ary nanampy tamin’ny fiforonan’ny antokona Mpianatra ny Baiboly iray hafa.

Nitombo haingana ny isan’ny mpianatra sy antokona Mpianatra ny Baiboly teto, satria nazoto sy nahafoy tena ireo mpisava lalana voalohandohany sy ireo nihaino ny hafatra nentiny. Tamin’ny 1919, izany hoe, valo taona monja taorian’ny nodian’i Károly Szabó sy József Kiss teto Romania, dia mpitory sy olona liana maherin’ny 1 700 no nalamina ho kilasy fianarana Baiboly 150 (antoko-mpitory na fiangonana ankehitriny). Nanao ny asan’ny mpisava lalana teto an-tanindrazany ny Rahalahy Kiss, mandra-pahafatiny tamin’izy 86 taona. Niverina tany Etazonia kosa ny Rahalahy Szabó tamin’ny 1924, mba handrindra ny asa ho an’ny faritany hongroà tany.

Famokarana sakafo ara-panahy

Ny boky sy gazety no tena nampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy namahanana ny noana ara-panahy. Natao pirinty teto ireo sakafo ara-panahy nilaina, ka orinasa mpampanonta no nampanaovina azy. Oglinda na hoe “Fitaratra” no anaran’ilay trano fanontam-pirinty tao Tîrgu Mureş, izay nampiasaina nanomboka tamin’ny 1914. Izy io no namokatra tamin’ny teny hongroà an’ireo boky sy taratasy mivalona ary ilay gazety 16 pejy, nivoaka isam-bolana, atao hoe Ny Tilikambo Fiambenana Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy.

Tamin’ny 1916 kosa no nanomboka ny fanontana boky sy gazety tamin’ny teny romanianina. Anisan’izany ny bokikely (kely velarana) antsoina hoe Tandindon’ny Tranolain’ny “Sorona Tsara Kokoa”, gazety valo pejy hoe Lahatsoratra avy ao Amin’ny “Tilikambo Fiambenana”, boky Mana avy any An-danitra Isan’andro ho An’ny Mpianakavin’ny Finoana (Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ankehitriny), ary ilay fihirana hoe Hiran’ny Fiandohan’ny Arivo Taona. Trano fanontam-pirinty tany Detroit, Etazonia, kosa no nampiasaina, nanomboka tamin’ny 1918. Izy io no nanao pirinty tamin’ny teny romanianina Ny Tilikambo Fiambenana Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy sy ilay taratasy mivalona hoe Polipitran’ny Vahoaka. Sahy nanala sarona ny fivavahan-diso io taratasy mivalona nivoaka isam-bolana io.

Nandroso be ny fitoriana ny vaovao tsara teto Romania, ka nasaina hanampy teo amin’ny fandrindrana ny asa sy ny fampiorenana azy io araka ny lalàna, i Jacob Sima, mpianatra ny Baiboly nanana fiaviana romanianina. Nihaona tamin’i Károly Szabó sy József Kiss izy tamin’ny 1920, raha vao tonga kelikely tao Cluj-Napoca. Ny fitadiavana trano mendrika hatao biraon’ny sampana no tena laharam-pahamehana. Sarotra anefa ny nahita trano tamin’izany, ka efitra tao an-tranon’ny rahalahy iray no natao birao vonjimaika. Nosokafana àry ny biraon’ny sampana voalohany teto Romania tamin’ny Aprily 1920. Najoro ho ara-dalàna koa ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Niandraikitra ny asa tany Albania, Boligaria, Hongria, ary Iogoslavia teo aloha koa, ny sampan’i Romania, nandritra ny fotoana kelikely.

Tamin’izay no nanomboka niseho teto Romania ilay toe-tsaina tia mikomy izay nanjaka tany amin’ireo tany Balkans. Nanampy trotraka ny korontana politika ny fankahalana jiosy, izay nanomboka niely haingana, indrindra fa tany amin’ny oniversite. Nirotaka ny mpianatra tany amin’ny tanàn-dehibe maro. Nandrara ny fivorivoriana àry ny fitondram-panjakana. Mpisava lalana 20 mahery no nosamborina sy nentina tamin-kalozana, na dia tsy nandray anjara tamin’ilay korontana aza. Nalaina koa ny boky sy gazetin’izy ireo.

Nanohy niasa mafy teny amin’ny saha kosa ireo rahalahy, ka nitombo hatrany ny fanafarana boky sy gazety. Nanjary lafo anefa ny nanao pirinty tany amin’ireo orinasa, ka nandinika fomba hafa ny sampana. Tamin’izay indrindra no nilazana fa hamidy ilay trano fanontam-pirinty fampiasan’ireo rahalahy, teo amin’ny 36 Lalana Regina Maria, tao Cluj-Napoca. Novidin’ny sampana io toerana mety tsara io, rehefa neken’ny Foibe. Trano roa nisy rihana telo sy rihana iray no teo.

Nanomboka tamin’ny Martsa 1924 ny asa fanavaozana. Tonga avy lavitra ny mpiasa an-tsitrapo sasany, satria nisy avy tany Baia Mare sy Bistriţa ary Rodna. Nisy rahalahy maromaro nivarotra ny fananany, mba hanohanana ilay tetikasa. Ny hafa indray nanome sakafo sy entana nilaina tamin’ny fanorenana. Kitapo manokana atao hoe desagi no nitondrana ny ankamaroan’izy ireny. Azo natao teo an-tsoroka na teo ambony soavaly izy io.

Nividy zavatra maromaro ny sampana mba hanatsarana ilay trano fanontam-pirinty. Anisan’izany ny milina Linotype (telo), milina fisaka (roa), milina manonta am-pihodinana, milina mamalona takelaka, ary milina manisy soratra amin’ny ranom-bolamena. Ampy fitaovana tsara àry izao ilay fanontam-pirinty, ka tsy ela dia ny boky navoakany no tsara indrindra teto Romania.

Ny iray tamin’ireo Betelita 8 no nanara-maso ireo mpiasa tsy Vavolombelona 40, izay nifandimby niasa tao amin’ilay fanontam-pirinty. Niasa mafy izy ireo rehefa jerena ny tatitra momba ny asa vita, tamin’ny 1924, taona voalohany niasan’ilay fanontam-pirinty. Nanao pirinty tamin’ny teny romanianina sy hongroà izy ireo, ka nahavita boky 226 075 sy bokikely 100 000 ary gazety 175 000! Anisan’izany ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Harpan’Andriamanitra, sy ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra, izay voalohany tamin’ireo boky fito antsoina hoe Fianarana ny Soratra Masina.

Rehefa avy niomana nandritra ny roa taona ny sampana, dia nanao pirinty an’ilay boky hoe Soratra ho An’ny Fampisehoana An-tsary ny Famoronana, tamin’ny teny romanianina. Izy io dia niorina tamin’ilay “Fampisehoana An-tsary”, izay tsy inona fa lahateny noraisim-peo nampiarahina tamin’ny sarimaizina sy sarimihetsika. Naseho tao ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny namoronana ny tany, ka hatramin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Tsy nampangitakitaka toy ilay “Fampisehoana An-tsary” io boky io, kanefa nahitana sary 400 sy lesona fohy momba ny foto-pinoana sy tantara ary siansa. Nandrisika ny mpamaky handinika bebe kokoa ny Baiboly ireo rehetra ireo.

Nitombo ny kilasy fianarana Baiboly

Nampirisika toy izao i Joseph Rutherford tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1922: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany!” Nanentana ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany ireo teny nampahery ireo, ka nampitombo ny zotom-pony. Nanokatra faritany vaovao ireo rahalahy teto Romania, sady nampianatra olona maro kokoa.

Ahoana no nianaran’ireo vaovao ny Baiboly, tamin’izany? Nanatrika kilasy nantsoina hoe Fianarana Baibolin’ny Berianina izy ireo. Nomena fanontaniana izy ireo, ary nalaina avy tao amin’ny boky samihafa ireo fanazavana ho an’ny lesona. Azo nohafarana tamin’ny alalan’ny paositra ireny boky ireny. Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny fandaharam-pianarana. Nandray soa koa ireo mpianatra efa nandroso kokoa. Nisy fianarana nantsoina hoe “Lesona ho An’ny Sekoly Alahady Iraisam-pirenena” nanampy azy ireo ho tonga mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra.

Nitsidika ireo antokona Mpianatra ny Baiboly ny solontenan’ny sampana, ary nanao lahateny sy nanampy tamin’ny fomba hafa. Ny mpitety fiangonana (mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny) anefa no nikarakara sy nampianatra tsy tapaka ny ondry. Nisy enina izy ireo tamin’ny 1921, ary valo kosa, roa taona monja tatỳ aoriana. Nanao fivoriana tany amin’ny tanàna an-jatony ireny mpiasa be zotom-po ireny, ary niresaka tamin’ny olona noana ara-panahy an’aliny.

I Emanuel Chinţe voaresaka tetsy aloha, sy Onisim Filipoiu no anisan’ireny mpitety fiangonana ireny. Advantista sy Batista maro no anisan’ireo nihaino ny Rahalahy Chinţe indray mandeha, tany Bucovine, faritra avaratr’i Romania. Nanaiky ny fahamarinana ny sasany tamin’izy ireo. Voatendry ho eto Bucarest izy mirahalahy tatỳ aoriana, ary nanampy olona maro hafa hahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra. Nankasitraka izany ny lehilahy iray, ka nanoratra hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho nandefa ny Rahalahy Emanuel sy Onisim. Tsy maintsy niezaka mafy izy ireo mba handresen-dahatra sy hampianarana ahy. Hanao asa lehibe eto amin’ity tanàna ity ny Tompo, kanefa ilaina ny faharetana.”

Tamin’ny 1920 ireo rahalahy no nanao ny fivoriambeny voalohany, ka tany Brebi, faritr’i Sălaj ny iray, ary tany Ocna Dejului, faritr’i Cluj ny iray. Tongan’ny fiarandalamby ireo toerana ireo, ary ny mpitory sy olona liana teo an-toerana no nampiantrano. Solontena 500 avy tany amin’ny faritra maro teto Romania no nanatrika izany. Fitoriana vita ho azy ny fitondran-tena tsaran’izy ireo.

Nitombo haingana ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Nenjehin’ny mpitondra fivavahana sy mpanao politika anefa ireo rahalahy, nanomboka teo am-piandohan’ny Ady Lehibe I.

Nohararaotin’ny fahavalo ny ady

Nentanin’ny fanindrahindram-pirenena ny mpitondra, sady nampirisihin’ny mpitondra fivavahana, ka tsy niantra ireo tsy naneho fitiavan-tanindrazana sy tsy nety niady ho an’ny firenena. Rahalahy maro no voasambotra sy voaheloka, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe I. Ny sasany aza novonoina mihitsy. Anisan’izany i Ioan Rus avy tao amin’ny tanànan’i Petreştii de Mijloc, any atsimon’i Cluj-Napoca, izay vao avy nampaka-bady.

Mitantara toy izao i Daniel, zafikelin’ny anabavin’i Ioan: “Voantso ho miaramila i Ioan Rus, tamin’ny 1914. Tsy nety nandeha niady izy, ka nentina teto Bucarest, ary nomelohina ho faty. Noterena hihady ny fasany sy hijoro teo akaikin’izany ary hifanatrika amin’ny mpitifitra izy, tamin’ilay fotoana hamonoana azy. Navelan’ilay manamboninahitra hilaza teny vitsivitsy farany i Ioan, avy eo. Naleony anefa nivavaka tamin’ny feo avo. Nampihetsi-po an’ireo miaramila ny vavaka nataony, ka niova hevitra izy ireo, ary tsy nety namono azy indray. Nentin’ilay manamboninahitra nihataka kely anefa ny iray tamin’izy ireo, ary notambazany telo volana tsy hiasana nefa handraisan-karama, raha hitifitra an’ilay voafonja. Nanaiky hitifitra an’i Ioan ilay olona, ary nahazo andro tsy iasana.”

Voasambotra koa ny Rahalahy Kiss sy Szabó tamin’ny 1916, ary nosazina higadra dimy taona. Natoka-monina tao amin’ny fonja tsara ambina iray tany Aiud izy ireo, nandritra ny herintaona sy tapany, satria noheverina fa ‘nampidi-doza.’ Nahoana ry József sy Károly no nolazaina fa ‘nampidi-doza’? Satria “nilaza fampianarana hafa noho ireo nekena ho ara-dalàna” izy ireo, araka ny tenin’ny mpitsara. Tsy noho izy ireo tsy nety namono olona ihany no nanagadrana azy, fa noho ny nampianarany fahamarinana ara-baiboly nifanohitra tamin’ny teolojia nentim-paharazana.

Nanoratra avy tany am-ponja izy mirahalahy, ka nampahery ireo fiangonana sy antokona Mpianatra ny Baiboly. Hoy ny iray tamin’izy ireny: “Faly izahay fa navelan’ilay Raintsika tsara fanahy any an-danitra hamiratra ny fahazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Tokony hankasitraka sy hidera ary hanome voninahitra azy isika. Mino izahay, ry rahalahy, fa mankasitraka Ny Tilikambo Fiambenana ianareo sady miaro azy io, toy ny fiarovana jiro mitsilopilopy ao anaty oram-baratra.” Nafahana izy mirahalahy tamin’ny 1919, ka afaka nanampy tamin’ny fanokafana ny biraon’ny sampana, ny taona nanaraka.

Nihamafy ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana

Mbola nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana, rehefa nifarana ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1918. Nokianin’ny pretra iray ampahibemaso ny fiheveran’ny Mpianatra ny Baiboly ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny anjara asan’i Maria. Nanoratra izy hoe: “Mahalasa adala [ny Mpianatra ny Baiboly] ny faniriana fiainana tsara kokoa eto an-tany. Manizingizina izy ireo fa mpirahalahy avokoa isika rehetra, ary mitovy zo ny olona avy amin’ny firenena rehetra.” Nitaraina izy avy eo, fa sarotra ny manenjika araka ny lalàna ny Mpianatra ny Baiboly, noho izy ireo “miseho ho mpivavaka, manetry tena, ary tia fahamarinana sy fihavanana.”

Nanoratra tany amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Atitany ny pretra tao Bucovine tamin’ny 1921, ary nangataka ny handrarana ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Saika tany amin’ny faritra rehetra nielezan’ny fahamarinana no nisy mpitondra fivavahana romotra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Nataon’ny Ortodoksa sy Katolika ary ny eglizy hafa izay hankahalan’ny olona an’ireo rahalahy sy hanafihany azy ireo. Nanoratra toy izao tany amin’ny foibe ny sampan’i Romania: ‘Maro loatra ny toerana tanan’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fitondrana, ka azo lazaina hoe mangeja ny asantsika izy ireo. Tsy ho nisy ny olana raha nampihatra ny lalàna izy ireo. Manampatra fahefana anefa izy ireo.’

Nitombo ny fitarainan’ny mpitondra fivavahana, ka neken’ny Minisiteran’ny Fivavahana ny hampiasana “polisy” hisakanana ny asa fitoriana sy fivoriana ataon’ny vahoakan’i Jehovah. Lasa fitaovan’ny eglizy àry ny polisy, ka nisambotra ireo rahalahy nampangaina ho mpanakorontana. Tsy nazava tsara anefa ny lalàna, ka niovaova ny sazy. Nampisy olana koa ny fitondran-tena tsaran’ireo rahalahy. Hoy ny mpitsara iray: “Tsy azo tsinìna ny Mpianatra ny Baiboly, satria izy ireo matetika no olona tia fihavanana indrindra.”

Nihamafy anefa ny fanenjehana, ary voarara Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny faran’ny taona 1926. Nahazo sakafo ara-panahy foana anefa ireo rahalahy, satria novany fotsiny ny anaran’ilay gazety! Lasa Ny Fotoam-pijinjana no anaran’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny romanianina, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 1 Janoary 1927. Ny Fahazavan’ny Baiboly no anaran’izy io, tatỳ aoriana kokoa, ary Mazava Atsinanana tamin’ny farany. Ireto kosa no anarana nomena an’io gazety io tamin’ny teny hongroà: Mpanao Fivahiniana Masina Kristianina, avy eo Filazantsara, ary tamin’ny farany Ny Gazetin’ireo Mino ny Ran’i Kristy.

Nampalahelo fa nanjary tsy nahatoky i Jacob Sima, tokony ho tamin’io fotoana io. Very noho ny zavatra nataony aza ny fananan’ny sampana sy ny fitaovana rehetra tao, tamin’ny 1928! “Niparitaka” ireo rahalahy, “ary tsy natoky [ny mpiara-manompo sy ny fandaminana] firy intsony”, araka ny Diary 1930. Sampana hafa indray no nasaina niandraikitra ny asa, noho ireny zava-nitranga nahakivy ireny. I Alemaina no nanao izany tamin’ny 1929, ary ny Biraon’i Eoropa Afovoany tany Berne, Soisa, tatỳ aoriana. Samy nampiasa birao iray nosokafana teto Bucarest, ireo sampana ireo.

‘Aza doranao re ny bokiko e!’

Voalamina indray ireo Kristianina tsy nivadika, na teo aza ireo fitsapana fanampiny ireo. Nitory foana izy ireo, ary nanokatra faritany mihitsy aza. Hoy ny sampan’i Romania tamin’ny 24 Aogositra 1933: “Mangetaheta ny fahamarinana ny olona. Nanoratra tatỳ aminay ireo rahalahy sy anabavy fa mitangorona manaraka azy ireo isan-trano ny olona, mba handre bebe kokoa momba ny fahamarinana.”

Nangataka boky ny vehivavy nahantra iray indray mandeha, ary nanolotra fanomezana kely mihitsy aza, mba ho an’ny asan’ilay Fanjakana. Nankany an-tranony anefa ny pretran’ilay tanàna raha vao nandre izany, ka nanao hoe: “Omeo ahy izany boky izany hodorako!”

Hoy ilay vehivavy: “Aza doranao re mompera ity boky ity e! Nampionona anay mantsy izy ity, sady hanampy anay hiaritra ny fahorianay.” Tsy nomen’ilay vehivavy ilay boky.

Tena tia ny bokintsika koa ny andriambavy iray, nanana mpanompo Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza tamin’ireo mpiasany ireo izy indray andro, hoe: “Tsy mpanompoko intsony ianareo manomboka izao, fa anadahiko!” Nisy koa ankizy vitsivitsy te hahafantatra izay nataon’ny rahalahy iray, tao amin’ny tanàna hafa. Nilazany àry izy ireo hoe nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Nampirisika ny mpandalo handray boky ireo ankizy, na dia tsy nasaina hanao izany aza, ka nafana fo erỳ nilaza hoe: “Miresaka momba an’Andriamanitra ireo boky ireo.” Tsy ela dia voapetraka avokoa ny bokin’ilay rahalahy, na dia tsy niteny akory aza izy!

Tonga teto Romania mba hanampy tamin’ilay asa i Nicu Palius, mpisava lalana nalefa-piteny avy any Gresy. Nifindra tany Galaţi, seranana lehibe eo amoron’i Danube, izy, rehefa avy nanompo teto Bucarest. Hoy i Nicu tamin’ny faran’ny taona 1933: “Roa volana sy tapany teo ho eo no niasako teo anivon’ireo Romanianina. Maro ny fitahiana nomen’i Jehovah Andriamanitra ahy, na dia tsy haiko aza ilay fiteny. Niasa teo anivon’ny Grika sy Armenianina aho taorian’izay, ary afaka nitsidika tanàna 20 noho ny fanampian’ny Tompo. Faly tamin’ilay hafatra izy ireo, indrindra fa ny Grika.”

Na dia nataon’ny mpitondra fivavahana aza izay hankahalana ireo rahalahy, dia mbola maro no naniry handre ny vaovao tsara. Anisan’ireny ny ben’ny tanàna iray, tia namaky ireo bokikely, ka nilaza tatỳ aoriana fa miandry fatratra ny tontolo vaovao. Nisy lehilahy nangataka boky maromaro tao amin’ny tanàna iray hafa, ary nampanantena fa hizara izany tamin’izay rehetra naniry hamaky.

Nalamina indray ny asa

Nasaina niandraikitra ny asa i Martin Magyarosi avy tao Bistriţa, Transylvanie, roa taona taorian’ny nivadihan’i Sima, izany hoe tamin’ny 1930. Romanianina taranaka hongroà ny Rahalahy Magyarosi. Nanokatra biraon’ny sampana teto Bucarest izy, rehefa avy niofana iray volana sy tapany tany amin’ny sampan’i Alemaina. Natao pirinty teto Romania indray Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny romanianina taoriana kelin’izay, ka trano fanontam-pirinty atao hoe Ilay Boky Volamena no nanao izany. Nisy fotoana mantsy nanaovana pirinty an’io gazety io tany Aotrisy sy Alemaina.

Nanao ezaka be ireo rahalahy, ka tafatsangana tamin’ny 1933 ilay fikambanana ara-dalàna vaovao hoe Ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo amin’ny 33 Lalana Crişana, Bucarest, no nisy azy. Tsy afaka nanoratra azy io ho fikambanana ara-pivavahana anefa ireo rahalahy, fa fikambanana ara-barotra ihany, noho ny fanenjehan’ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika.

Nanjary nanana fatokisana indray anefa ireo rahalahy, ary nandroso ny asa fitoriana, noho ireny ezaka ireny. Mpitory maro aza no nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana. Ny sasany kosa nanompo bebe kokoa, indrindra tamin’ny ririnina, satria nalalaka kokoa ny tantsaha teo. Nisy radio avy tany ivelany koa nihainoan’ireo rahalahy lahateny ara-baiboly. Tena nandray soa tamin’ireny lahateny ireny ny olona tsy tonga nivory noho ny tahotra ny mpiray tanàna na ny pretra. Nolazaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny fotoana nandefasana ireo lahateny sy ny lohateniny ary ny onjam-peon’ireo radio.

Fitaovana nampielezana ny vaovao tsara koa ireo grafofaonina fitondra mandeha, izay namboarin’ny fandaminana. Afaka nanafatra azy ireny niaraka tamin’ireo diska nisy lahateny ny fiangonana sy ny olona tsirairay, nandritra ireo taona 1930. Nilaza ny Gazety (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny) hoe “tsy ny rahalahy ihany” no nampaherezin’ireny lahateny ireny, “fa teo koa ireo fianakaviana tia fahamarinana, nanana grafofaonina.”

Fitsapana fanampiny teo anivon’ny fandaminana

Nitombo ny fahatakarana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ireo taona 1920 sy 1930, ary nohazavaina fa mila mitory ny fahamarinana ny Kristianina tsirairay. Vao mainka nitombo izany fahatakarana izany tamin’ny 1931, rehefa nandray ilay anarana ara-baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy anarana isalorana fotsiny izy io. Tohanan’ilay mitondra azy kosa fa i Jehovah no Andriamanitra, ary toriny amin’ny hafa izany. (Isaia 43:10-12) Tafintohina tamin’izany ireo Mpianatra ny Baiboly nanohitra ny asa fitoriana, ka nandao ny fandaminana. Nisy mihitsy aza nivadi-pinoana, ary nandray ny anarana hoe Ireo Mpino ny Fanjakana Arivo Taona. Hahatohitra izany fitsapana izany ve ny olo-mahatoky, ka tsy halemy finoana? Hahavita ny asa nanirahana azy ve izy ireo, na dia manohitra aza ny mpitondra fivavahana sy ny mpivadi-pinoana?

Nisy tokoa ny nanaiky lembenana. Maro anefa no nazoto nanompo an’i Jehovah hatrany. Izao no voalazan’ny tatitra ho an’ny taona 1931: “Roa arivo eo ho eo izao ny rahalahy sy anabavy eto Romania. Nahapetraka boky 5 549 sy bokikely 39 811 izy ireo, nandritra ny taona, na dia niatrika olana lehibe aza.” Tsara noho izany aza ny vitan’ireo rahalahy ny taona nanaraka, satria nahapetraka boky sy bokikely 55 632 izy ireo.

Tsy nampoizina aza indraindray ny vokatry ny fanenjehana. Niara-nanapa-kevitra, ohatra, ny Vavolombelona tao amin’ny tanàna iray fa hanambara ampahibemaso ny fialany amin’i “Babylona Lehibe.” (Apok. 18:2, 4) Nirohotra tany amin’ny lapan’ny tanàna ireny rahalahy sy anabavy be herim-po ireny, nandritra ny dimy andro nisesy, mba hanomana ny antontan-taratasy nilaina.

Gaga ny manam-pahefana, ary taitra mafy ilay pretra teo an-toerana. Nila vonjy tany amin’ny paositry ny polisy aloha izy. Herim-po very maina anefa izany. Niverina haingana tany amin’ny lapan’ny tanàna àry izy, ary niampanga ilay mpiasa tao ho Kominista, noho izy nikarakara ny antontan-taratasin’ireo olona ireo. Tezitra ilay mpiasa, ka namaly fa na ny olona rehetra tao an-tanàna aza no ho avy hitondra taratasy fialana, dia hokarakarainy. Tapi-dalan-kaleha ilay pretra. Afaka namita ny taratasiny kosa ireo rahalahy.

“Mitady hitifitra ahy angaha ianao?”

Nanakiana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fivavahana, tao amin’ny toriteniny. Notereny foana koa ny fitondram-panjakana handrara ilay asa. Nataony fitaovana politika ny Minisiteran’ny Fivavahana. Mazava ho azy fa nampiasa foana ny polisy io minisitera io, mba hampahoriana ireo rahalahy. Nitsofoka tao amin’ny trano nivorian’ny Kristianina ny lehiben’ny polisy sy ny namany iray, indray mandeha, na dia tsy nahazo alalana hanao izany aza.

“Aiza ny fahazoan-dalana hanaovanareo fotoam-pivavahana ato?”, hoy ilay lehiben’ny polisy tamin’ilay rahalahy tompon-trano, izay hataontsika hoe George.

Fantatr’i George fa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana ilay polisy, ka hoy izy: “Fahefana avy aiza no idiranareo ato an-tranoko?”

Tsy nanan-kavaly ilay lehilahy, ka nasain’i George nandeha. Nivoaka tsy sazoka izy. Rehefa lasa anefa izy, dia nasainy niambina teo am-bavahady ilay polisy namany, ary hisambotra an’i George raha vao niala tao. Rehefa nivoaka ny trano tokoa i George tatỳ aoriana, dia avy ilay polisy hisambotra azy, “amin’ny anaran’ny lalàna.”

“Inona no lalàna hisamboranao ahy?”, hoy i George.

Hoy ilay polisy: “Manana fahazoan-dalana hisambotra anao aho.”

Efa polisy i George taloha ka nahay ny lalàna. Nasainy naseho àry ilay fahazoan-dalana. Inona tokoa fa tsy nanana akory ilay polisy! Tsy nahavita nisambotra an’i George, araka ny lalàna izy, ka namahana ny basiny, ary nanandrana nampitahotra an’i George.

“Mitady hitifitra ahy angaha ianao?”, hoy i George.

“Tsia”, hoy ilay polisy, “koa raha tsy adala aho!”

“Koa nahoana ianao no mamahana ny basinao?”, hoy i George.

Hitan’ilay polisy fa hadalana ilay zavatra nataony, ka lasa izy. Tsy tian’i George hiverina intsony iny zava-nitranga iny, ka notoriny noho ny fidirana an-keriny an-tranon’olona ilay lehiben’ny polisy. Nahagaga fa nampandoavina lamandy io polisy io, ary nosazina higadra tapa-bolana.

Afaka nanazava tsara koa ny rahalahy zokiolona iray, indray mandeha, tany amin’ny fitsarana. Nisy boky roa, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, teny an-tanan’ilay mpitsara. Nanofahofa azy ireny teo anoloan’ilay rahalahy izy, sady niampanga azy ho nanao fampielezan-kevitra momba ny fivavahana.

Hoy ilay rahalahy: “Raha sazinareo aho satria nitory ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia raisiko ho mari-boninahitra izany fa tsy sazy. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba hifaly rehefa enjehina noho ny fahamarinana, satria natao toy izany ny mpaminany fahiny. I Jesosy koa aza, raha ny marina, dia nenjehina sy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana. Tsy noho ny fanaovan-dratsy anefa, fa noho izy nitory ny fahamarinana nomen’Andriamanitra azy.”

Hoy ihany izy: “Hanasazy olona tsy nanao heloka bevava ity fitsarana ity, raha manasazy ahy noho izaho nitory ny hafatr’i Jesosy momba ilay Fanjakana, tamin’ny alalan’ireo boky roa ireo.” Nofoanan’ilay mpitsara ilay fiampangana.

‘Nahita olana lehibe kokoa noho ny tany an-toeran-kafa ireo rahalahy’

Nitombo haingana ny antoko politika mahery fihetsika, toy ny Fasista, taorian’ny 1929. Nidina be mantsy ny vidim-bokatra, nihamaro ny tsy an’asa, ary nisy ny korontana politika. Lasa teo ambany fifehezan’i Alemaina Nazia tsikelikely koa i Romania, nandritra ireo taona 1930. Tsy nahasoa ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izany. Hoy ny Diary 1936: “Nahitana olana lehibe kokoa noho ny tany an-toeran-kafa ny asan’ireo rahalahy eto Romania.” Nisy 530 ny fitoriana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fitsarana, teo anelanelan’ny 1933 sy 1939. Mazava ho azy fa tsy nitsahatra nangataka ny handrarana ny asa sy hanakatonana ny biraon’ny sampana teto Bucarest, ny mpampanoa lalàna.

Tonga tao amin’ny biraon’ny sampana ihany ny polisy tamin’ny farany, ny 19 Jona 1935 tamin’ny valo ora alina. Nitondra fahazoan-dalana tsy ara-dalàna izy ireo mba hanakatonana azy io, ary naka ireo antontan-taratasy sy bokikely maherin’ny 12 000. Nasiany mpiambina koa tao, mba tsy hisy hahazo hiditra sy hivoaka. Nivoaka tamin’ny varavarana tao ambadiky ny trano anefa ny rahalahy iray, ary afaka niresaka tamin’ny olona iray tsara fanahy. Sady mpisolovava io olona io no mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona. Niantso an-telefaonina ny manam-pahefana isan-tsokajiny izy io. Nofoanana àry ilay didy tsy ara-dalàna ary naverina ny antontan-taratasy rehetra. Tsy naharitra ela anefa izany.

Namoaka didy ny Minisiteran’ny Fivavahana tamin’ny 21 Aprily 1937, ary nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakana sy gazety hafa izany. Nilaza io didy io fa voarara tanteraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Romania, ary mety hosamborina sy hosazina ny olona mizara na mamaky ny bokin’izy ireo. Halaina koa ireny boky ireny.

Nampiakatra fitsarana ambony ireo rahalahy. Fantatr’ilay minisitra anefa fa tsy marim-pototra ny didy navoakany, ka nahemony intelo ilay fitsarana. Nilaza anefa ny Mpanjaka Charles II, talohan’ilay daty farany, fa lasa fitondrana jadona ny eto Romania. Nisy didy vaovao navoaka tamin’ny Jona 1938 mba handrarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiakatra fitsarana ambony indray ireo rahalahy. Nanoratra taratasy ofisialy tany amin’ny mpanjaka koa izy ireo, hilazana fa natao hampianarana ny bokin’ny Vavolombelona, fa tsy natao hitarihana ny olona hanongam-panjakana na hikomy. Niresaka momba ny didy iray efa navoakan’ny Fitsarana Ambony aza ilay taratasy. Nalefan’ny mpanjaka tany amin’ny Minisiteran’ny Fivavahana ilay taratasy. Inona no valin-teny azo? Nakaton’ilay minisitera ny biraon’ny sampana teto Bucarest tamin’ny 2 Aogositra 1938, ary tsy navelany hidirana.

Rahalahy maromaro, na fianakaviana iray manontolo mihitsy aza, no nosamborina sy nogadraina. Nomelohina ny sasany, satria fotsiny hoe nanao hiran’ilay Fanjakana tao an-tranony. Naharitra telo volana ka hatramin’ny roa taona ny faharetan’ny sazy. Ahoana no nahitana azy ireny? Mpomba ny mpitondra fivavahana no nitsikilo ny maro tamin’izy ireny. Nody niova ho mpiasa sy mpivaro-mandeha ary ny toy izany ireny mpitsikilo ireny.

Nosamborina koa izay tratra nanana ny bokintsika. Mpitrandraka ala no asan’ny rahalahy iray, ka nitondra Baiboly sy Diary tany an’ala izy. Nisava ny entan’ny tsirairay ny polisy indray andro, ary nahita ireo bokiny ireo. Nosamborin’izy ireo izy, ary nampandehaniny an-tongotra 200 kilaometatra hatrany amin’ny fitsarana. Voaheloka higadra enim-bolana izy tany. Ny fonja amin’izay feno hipoka sy naloto ary feno haofotsy. Lasopy be rano tsy misy otrikaina no hany sakafo.

Nitondra fitsapana hafa ny Ady Lehibe II

Nanafika an’i Polonina ny miaramila alemà tamin’ny 1 Septambra 1939, raha vao nangiran-dratsy ny andro. Niteraka ady lehibe indray izany. Nisy vokany lalina sy naharitra teo amin’i Romania io ady io. Nanao sonia ny dinan’ny tsy fifanafihana ny Firaisana Sovietika sy Alemaina. Te hanjakazaka anefa izy ireo, ka nozarazarainy i Eoropa Atsinanana sy Romania, tatỳ aoriana. Lasan’i Hongria ny faritra avaratr’i Transylvanie. Lasan’ny Firaisana Sovietika kosa i Bessarabie sy Bucovine Avaratra, ary lasan’i Boligaria ny faritra atsimon’i Dobroudja. Namoy ny ampahatelon’ny mponiny sy ny faritaniny i Romania vokatr’izany. Nahazo fahefana ny fitondrana jadona fasista, tamin’ny 1940.

Nampiato vetivety ny lalàm-panorenana ilay fitondram-panjakana vaovao, ary namoaka didy momba ny fivavahana. Sivy tamin’izy ireny ihany no nekena ho ara-dalàna, anisan’izany ny eglizy ortodoksa sy katolika ary loteranina. Mbola norarana kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Fahita ny asa fampihorohoroana tamin’izany. Nofehezin’ny miaramila alemà ilay tany, tamin’ny Oktobra 1940. Saika nitsahatra tanteraka ny fifandraisana teo amin’i Romania sy ny Biraon’i Eoropa Afovoany tany Soisa, tao anatin’izany toe-javatra faran’izay mafy izany.

Niala teto Bucarest i Martin Magyarosi, ary nifindra tao Tîrgu Mureş, satria nipetraka tany Transylvanie ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay faritra. Efa nifindra tao talohan’izay i Maria vadiny, noho ny tsy fahasalamany. Nifindra tany Baia Mare, any avaratra kokoa aza, ry Pamfil sy Elena Albu, izay efa nanompo tao amin’ilay biraon’ny sampana teto Bucarest koa. Avy tao amin’ireo tanàna roa ireo no niasan’ny Rahalahy Magyarosi sy Albu, ka nandaminany indray ny asa fitoriana sy namoahany tamim-piafenana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Nijanona teto Bucarest kosa i Teodor Morăraş mpiara-miasa tamin’izy ireo, ary nandrindra ny asa tany amin’ny faritra sisa tamin’i Romania, hatramin’ny nisamborana azy tamin’ny 1941.

Nazoto nanompo foana ireo rahalahy tamin’izay, ka nametraka boky sy gazety ara-baiboly, isaky ny afaka nanao izany. Malina tsara anefa izy ireo. Nametrahany bokikely, ohatra, teny amin’ny toerana falehan’ny olona, toy ny hotely fisakafoana sy efitra anaty lamasinina, sao mba hanintona ny sain’ny olona izy ireny. Narahin’izy ireo foana koa ny torohevitry ny Soratra Masina, ka nivory mba hahazoana fampaherezana izy ireo. (Heb. 10:24, 25) Nitandrina tsara anefa ireo rahalahy mba tsy hampiahiahy. Nisy fety fanaon’ny tantsaha, ohatra, isaky ny fotoam-pijinjana. Nifanampy izy ireo, rehefa nitaom-bokatra, ary nilaza tantara sy hatsikana taorian’izay. Novan’ireo rahalahy tany ambanivohitra ho fivoriana fotsiny ireny fety ireny.

‘Voageja tamin’ny lafiny rehetra’

Voasambotra ny Rahalahy Magyarosi tamin’ny Septambra 1942. Mbola nandrindra ny asa fitoriana anefa izy, na dia tany am-ponja aza. Voasambotra koa avy eo ry Albu mivady, ary ny rahalahy sy anabavy arivo teo ho eo. Nafahana anefa ny ankamaroan’izy ireo, rehefa avy nokapohina sy notanana am-ponja iray volana sy tapany teo ho eo. Vavolombelona 100, anisan’izany ny anabavy maromaro, no nosazina higadra 2 ka hatramin’ny 15 taona, satria tsy nety nanao politika. Rahalahy dimy no nahazo fanamelohana ho faty. Novana ho figadrana mandra-pahafaty anefa izany. Nisy renim-pianakaviana sy ankizikely aza notaritaritin’ny polisy nitam-piadiana hiala tao an-tranony nandritra ny alina. Tsy nisy nikarakara ny biby fiompin’izy ireo, ary norobain’ny mpangalatra ny tranony.

Efa vonona ‘hitsena’ ireo rahalahy ny mpiambina tao amin’ireo tobin’ny voafonja. Nohazonin’izy ireo teo amin’ny tany ny olona tsirairay, rehefa avy nofatorany hikambana ny tongony roa. Nisy mpiambina iray avy eo nikapoka ny faladia tamin’ny kibay fingotra nisy vy. Vaky ny taolana, niala ny hohon-tongotra, mangana ny hoditra, ary indraindray aza niendaka toy ireny hodi-kazo ireny. Nahita izany fampijaliana izany ireo pretra nivezivezy tao amin’ny toby, nefa nanaraby hoe: “Aiza izay Jehovah-nareo, hanafaka anareo amin’ny tananay?”

‘Voageja tamin’ny lafiny rehetra’ ireo rahalahy, nefa ‘tsy nafoy.’ (2 Kor. 4:8, 9) Izy ireo aza no nampionona ny voafonja hafa, tamin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana. Nanaiky izany ny sasany. Anisan’izany i Teodor Miron avy tao Topliţa, any avaratratsinanan’i Transylvanie. Nihevitra i Teodor, talohan’ny Ady Lehibe II, fa raran’Andriamanitra ny famonoana olona. Tsy nety nanao miaramila àry izy, ka voasazy higadra dimy taona, tamin’ny Mey 1943. Nihaona tamin’i Martin Magyarosi sy Pamfil Albu ary ny Vavolombelona voafonja hafa izy, tsy ela taorian’izay, ary nanaiky hianatra Baiboly. Nandroso tsara i Teodor, ka herinandro vitsy monja dia nanolo-tena ho an’i Jehovah. Ahoana anefa no nanaovana batisa azy?

Azo natao izany rehefa nentina ho any amin’ny tobin’ny Nazia, tany Bor, Serbia, i Teodor sy ny Vavolombelona romanianina 50 teo ho eo. Lalana manodidina mantsy no nitondrana azy ireo. Nijanona tany Jászberény, Hongria, izy ireo teny an-dalana, ary nanatevin-daharana azy ireo ny rahalahy miteny hongroà maherin’ny zato. Nirahin’ny mpiambina ho any an-drenirano ny rahalahy maromaro, rehefa nijanona kely, mba hameno barikan-drano. Nanjary natokisana mantsy ireo rahalahy, ka nalefa tsy nisy mpanara-maso. Niaraka tamin’izy ireo i Teodor, ary natao batisa tany. Nalefa lamasinina sy sambo ireo voafonja rehefa niainga tao Jászberény ho any Bor.

Nisy Jiosy 6 000 sy Advantista 14 ary Vavolombelona 152 tao amin’ny tobin’i Bor. Hoy ny Rahalahy Miron: “Tena nahatsiravina ny fiainana, nefa niahy anay i Jehovah. Mpiambina tsara fanahy iray no nampiditra ireo boky sy gazety tao an-toby. Nirahina matetika nankany Hongria mantsy izy. Nisy Vavolombelona fantany sy nitokisany nikarakara ny ankohonany rehefa tsy teo an-toerana izy. Noraisin’izy ireo ho toy ny rahalahy àry izy. Nampiomana anay io lietnà io raha nisy zavatra hitranga. Nisy 15 ny anti-panahy (anarany ankehitriny) tao an-toby, ary nandamina fivoriana telo isan-kerinandro izy ireo. Nisy 80 teo ho eo ny mpanatrika, raha sendra tamin’ny fotoana tsy niasan’izy ireo ny fotoam-pivoriana. Nankalaza ny Fahatsiarovana koa izahay.”

Navelan’ny toby sasany hanome sakafo sy zavatra hafa ho an’ny rahalahy voafonja, ny Vavolombelona avy etỳ ivelany. Teo anelanelan’ny 1941 sy 1945, ohatra, dia Vavolombelona 40 teo ho eo avy tany Bessarabie, Moldavia, ary Transylvanie no nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Şibot, Transylvanie. Niasa tany amin’ny orinasa fanaovan-kazo teo an-toerana izy ireo, isan’andro. Nankany amin’io orinasa io, isan-kerinandro, ireo Vavolombelona nipetraka tsy lavitra teo, mba hitondra sakafo sy fitafiana ho an’ny rahalahiny, satria zara raha nisy sakafo tao an-toby. Nozarain’ireo rahalahy voafonja, araka izay nilain’ny tsirairay, izy ireny.

Efa fitoriana tamin’ny voafonja hafa sy ny mpiambina izany. Voamarik’ireo mpiambina koa fa nahay nandray andraikitra sady mendri-pitokisana ny Vavolombelon’i Jehovah. Navela hanao zavatra tsy azon’ny voafonja hafa natao àry izy ireo. Nanaiky ny fahamarinana mihitsy aza ny iray tamin’ireo mpiambina tany Şibot.

Fitahiana taorian’ny ady

Nafahana avokoa ireo Vavolombelon’i Jehovah nigadra sy niasa an-terivozona, rehefa nifarana ny ady tany Eoropa tamin’ny Mey 1945. Efa 62 taona i Martin Magyarosi tamin’izay, ary birao foana tanteraka no novantaniny teto Bucarest. Tsy nisy na dia milina fanoratana iray aza! Voalazan’ny tatitra fa “tsy nisy na inona na inona teo am-pelatanana, rehefa natomboka indray ny asan’ny Tompo.” Nalamin’ireo rahalahy indray ilay asa, sady nangatahiny mba hekena ho ara-dalàna. Voasoratra ara-panjakana àry ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Romania, tamin’ny 11 Jolay 1945.

Nampiroborobo ny asa izany sady nampihena ny fisaratsarahana. Mora kokoa mantsy ny nandamina fivoriana sy fivoriambe, na ny namokatra boky aman-gazety. Afaka nanao pirinty bokikely 870 000 sy Ny Tilikambo Fiambenana 85 500 teo ho eo mantsy ireo rahalahy, nandritra ny taona voalohany taorian’ny ady, na dia tsy nisy taratasy firy aza teto Romania! Olona 1 630 koa no natao batisa.

Nanomboka nitory an-karihary ireo rahalahy, na dia talohan’ny nanekena ny asa ho ara-dalàna aza. Nandamina fivoriana sy lahateny manokana ho an’ny besinimaro koa izy ireo. Hoy ny olona nanatri-maso izany momba ny Vavolombelona tany amin’ny Faritr’i Maramureş: ‘Nivory ireo rahalahy, na dia mbola tsy lasa avokoa aza ny tafika. Tsy natahotra izy ireo fa tonga avy tany amin’ny tanàna rehetra tao amin’ilay faritra. Tena fotoam-pifaliana tamin’izay. Ny sasany nandeha an-tongotra 80 kilaometatra, ary nihira sy nitory teny an-dalana. Nolazain’ny mpitari-draharaha isan’alahady, ny toerana hanaovana ny fivoriana manaraka.’

Nampahafantarina mialoha tany amin’ireo tanàna tsy nisy Vavolombelona (na nisy fa vitsy), fa hisy lahateny ho an’ny besinimaro any. Nanainga talohan’ny misasakalina ireo rahalahy, ary nandeha an-tongotra 100 kilaometatra mba hankanesana tany amin’ireny toerana ireny. Nandeha tsy nikiraro izy ireo, matetika, satria lafo izy ireny. Nataony teo an-tsorony ny kirarony, ka tsy nanaovany raha tsy namirifiry be ny andro, na nisy zava-tsarotra hafa. Nametraka boky sy nampahafantatra ilay lahateny ary nanasa ny olona ireo rahalahy, ny andro talohan’ilay fivoriana. Nandeha nody izy ireo taorian’ilay lahateny.

Vavolombelona sy olona liana an-jatony no nanatrika ireo fivoriambe nalamin’ireo rahalahy tany Baia Mare, Cluj-Napoca, Tîrgu Mureş, ary Ocna Mureş. Anisan’ny nampiavaka ilay fivoriambe tao Baia Mare tamin’ny Jona 1945 ny fanaovana batisa. Natao tany amin’ny folo kilaometatra miala ny tanàna ilay izy, tao amin’ny sahan’ny rahalahy iray. Rehefa vita ny lahateny, dia olona 118 no naroboka teo amin’ny Reniranon’i Lăpuşul, izay nikoriana teo akaiky teo. Tsy hay hadinoina iny batisa teo amin’ny toerana kanto iny.

Nanofa trano fanaovana fety nahazaka olona 3 000 ireo rahalahy, tany Tîrgu Mureş. Iray andro talohan’ny fivoriambe ireo solontena no nanomboka tonga tamin’ny lamasinina, voatiry, ary bisikileta, na nandeha an-tongotra. Nitory avy hatrany ny sasany, ary nanasa ny olona hanatrika ilay lahateny momba ny sambofiaran’i Noa. Maro tamin’ireo rahalahy no latsa-dranomasom-pifaliana, rehefa nahita ny hakanton’ny soratra teo amin’ireo takelaka, izay natao hampahafantarana eran’ny tanàna io lahateny io. Tsy nanampo mihitsy izy ireo hoe ho afaka hitory an-kalalahana indray!

Tena novalian-tsoa ny asa mafy nataon’ireo rahalahy. Tsy omby tao an-trano ny mpanatrika, ka voatery nasiana fanamafisam-peo teo ivelany. Maro koa àry ny mpiray tanàna afaka nihaino ilay fandaharana avy teny am-baravarankeliny. Nasaina koa ireo manam-pahefana sy olona ambony hafa, mba ho izy ireo mihitsy no hahita sy handre ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahagaga fa feno avokoa ny seza natokana ho azy ireo. Nampiara-peo tamin’ny hira koa ry zareo.

Fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany teto Romania

Nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah teto Romania, tamin’ny asabotsy 28 sy alahady 29 Septambra 1946. Tao amin’ny Kianja Filalaovana Romanina teto Bucarest no nanaovana azy io. Tsy vitan’ny hoe nanome lamasinina manokana ny kompaniam-pitaterana romanianina, fa ny antsasaky ny saran-dalana fotsiny no nasainy naloa! Nentin’ilay lamasinina ho any an-drenivohitra ireo solontena arivo mahery avy tany amin’ny faritra anisan’ny lavitra indrindra amin’i Romania. Maro no nitondra takelaka fampahafantarana, ka nanaitra ny sain’ny olona maro teny an-dalana. Nisy sampona anefa teny an-dalana.

Nahare momba ilay fivoriambe ny mpitondra fivavahana ka niezaka nampijanona ilay lamasinina. Nitsena ireo rahalahiny teo amin’ny gara ny Vavolombelona teo an-toerana, ny zoma alohan’ilay fivoriambe, tamin’ny sivy ora maraina. Nantenain’izy ireo ho tonga tao anatin’ny adiny iray ny vahiny. Niandry teo foana izy ireo mandra-pahatongan’ilay lamasinina tamin’ny enina ora hariva. Nientam-po be ireo rahalahy, rehefa nifamihina ny vahiny sy ny tompon-tany. Tsy nanan-katao ireo polisy nitam-piadiana, tonga hitandro ny filaminana.

Simban’ny ady ny faritra maro teto Bucarest, anisan’izany ny trano 12 000 teo ho eo, ka tsy nisy firy ny trano handraisam-bahiny. Nahita hevitra anefa ireo rahalahy. Nividy mololo be dia be izy ireo mba hatoriana, ary nanely izany teo amin’ny tany malalaky ny rahalahy iray tao Berceni, tsy lavitra an’i Bucarest. Nafana tsy toy ny nahazatra ilay faran’ny Septambra. Afaka niala sasatra tsara teo ambony mololo solon-kidoro sy teo ambanin’ny lanitra feno kintana àry ireo mpamonjy fivoriambe sy ny zanany. Misy Efitrano Fanjakana vaovao izao eo amin’io toerana io.

Faly erỳ ny mpanatrika 3 400 ny asabotsy maraina, rehefa nahare fa navoaka indroa isam-bolana indray Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny romanianina sy hongroà. Arivo tamin’ilay fanontana voalohany no nozaraina tamin’ireo rahalahy, tamin’io maraina io. Nahitana lahatsoratra fianarana efatra aloha tao amin’ilay gazety, mba hahazoan’ny rehetra ny fanazavana nivoaka nandritra ny ady.

Natokana hitoriana ny alahady maraina. Hita teny rehetra teny ny mpitory, nampahafantatra ny lahateny ho an’ny besinimaro. Nisy sarina marotoa sy sabatra ary riandriana teo amin’ilay takelaka nentin’izy ireo. Izao no voalaza tao: “ ‘Avadika ho Fangady ny Sabatra.’ Teny avy Amin’Andriamanitra Ireo. Mpaminany Roa no Nanoratra Azy. Iza Anefa no Hanao Izany?” Nizara fanasana ny mpitory, sady nanolotra gazety avy tao amin’ilay kitapo lamba fotsy nentiny teny an-tsorony, izay nisy soratra hoe “Vavolombelon’i Jehovah”, na “Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra”, na “Mpitory ny Fitondran’Andriamanitra.”

Izao no nanombohan’i Martin Magyarosi ilay lahateny ho an’ny besinimaro, ny tolakandro: “Anio no atao any Paris ny kaonferansa momba ny fandriampahalemana atrehin’ireo firenena matanjaka. Miisa 15 000 kosa ny mpanatrika ity fivoriambentsika ity. Tsy hahita sabatra na basy ianao, raha hisava ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay eto. Efa navaditsika ho fangady mantsy ny sabatsika!” Hita teny rehetra teny ny voka-dratsin’ny ady, ka sady ara-potoana tsara ilay lahateny no tena nanohina ny fo.

Nanatrika ilay fivoriambe tamin’ny alahady ny tonian’ny fampanoavana, ny mpitan-tsoratry ny Minisitry ny Atitany, ary ny polisy sy pretra ortodoksa maromaro. Efa nampoizin’ireo rahalahy sy ny manam-pahefana fa hanakorontana ireo pretra ireo, satria nandrahona ny hanao izany izy ireo. Ny iray ihany anefa no tena nitady hisakana ny fandaharana. Rehefa hitan’ireo rahalahy fa nizotra nankeny amin’ny lampihazo izy, nandritra ilay lahateny, dia nohazonin’izy ireo mafy tamin’ny sandriny ary nentiny niverina. Nibitsika taminy anefa izy ireo hoe: “Tsy tokony handaha-teny amin’ity fivoriambe ity ny pretra ortodoksa. Faly kosa izahay raha mipetraka sy mihaino ianao.” Tsy nitady hisakana ny fandaharana intsony izy. Nilaza ilay tonian’ny fampanoavana, tatỳ aoriana, fa nankafiziny ireo lahateny, ary nampiaiky azy ny filaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy ny rahalahy iray momba iny fivoriambe iny: “Tsy nahomby mihitsy ny tetiky ny fahavalo, ary faly be ireo rahalahy rehefa nody.” Nampahery fa nihavana sy niray saina indray izy ireo. Na dia maro aza mantsy no faly rehefa tonga tao amin’ilay fivoriambe, dia nalahelo ihany izy ireo noho ny fisaratsarahana teo amin’ireo rahalahy nandritra ny ady.

Tsy tena tian’ny mpitondra fivavahana izay nitranga. Tsy azony nianteherana hanao ny sitrapony momba ny Vavolombelon’i Jehovah intsony mantsy, ny manam-pahefana tany amin’ny toerana maro. Mbola nanabanty ireo rahalahy tamin’ny toriteniny anefa izy ireo. Nisy mihitsy aza ny pretra nanakarama jiolahim-boto mba hidaroka izay hitan’izy ireo mitory, na lahy na vavy. Nokapohin’ny vadina pretra ortodoksa iray tamin’ny hazo, indray mandeha, ny anabavy mpisava lalana iray, mandra-pahatapak’ilay hazo! Nilaza ny tatitra fa ‘maro ny fitarainana nalefantsika tany amin’ny fitsarana, momba ny mpitondra fivavahana toy izany.’

Ezaka hafa namerenana ny firaisan-tsaina

Nijanona roa volana teto i Alfred Rütimann avy any amin’ny sampan’i Soisa, tamin’ny 1947. Ny fikasana tamin’izay, dia ny handamina fivoriambe iray sy ny hiarahan’i Hayden Covington, avy any amin’ny Foibe, amin’ny Rahalahy Rütimann. Tsy namela ireo rahalahy handamina fivoriambe anefa ny manam-pahefana, sady tsy nety nanome visa ho an’ny Rahalahy Covington. Nomeny visa naharitra roa volana kosa i Alfred Rütimann, ka afaka nandany ny volana Aogositra sy Septambra teto.

I Bucarest no notsidihiny voalohany. Rahalahy sy anabavy maro no nandray azy teny amin’ny seranam-piaramanidina. Nitsiky sy nitondra fehezam-boninkazo tsara tarehy, araka ny fomba fandraisam-bahiny nentim-paharazana, izy ireo. Avy eo izy dia nentin’izy ireo tao amin’ny biraon’ny sampana teto Bucarest, izay tao an-tranon’ny olona liana iray, teo amin’ny 38 Lalana Alion. Tamin’ny Janoary 1947 io birao io no nafindra tao. Vao mainka nandrahona anefa ny Kominista. Mbola ilay birao azo tamin’ny Jolay 1945 teo amin’ny 38 Lalana Basarabia ihany àry no notanana ho adiresy ofisialy. Izao no tao: Latabatra sy seza kanape efa tonta, milina fanoratana efa simba, ary lalimoara feno bokikely sy gazety tranainy. Tsy hitsahatra ny asa, na dia ho lasan’ny fanjakana aza ireo rehetra ireo. Nisy anabavy niasa tao tsindraindray.

Nihaona tamin’i Pamfil Albu prezidàn’ilay fikambanana ara-dalàna sy Martin Magyarosi mpiandraikitra ny asa teto Romania, ny Rahalahy Rütimann. Mpiandraikitra ny vondrom-paritra izy mirahalahy ireo tamin’izany. Voafetra ny fifandraisana nandritra ny taona maromaro, ka nientam-po erỳ ireo rahalahy romanianina nandre ireo zava-nitranga vao haingana teo anivon’ny fandaminana. Anisan’izany ny fanombohan’ny Sekolin’ny Fanompoana teo anivon’ny fiangonana, sy ny Sekolin’i Gileada nampiofanana misionera. Mazava ho azy fa tsy andrin’ny rehetra izay hanombohan’ilay sekoly teto Romania. Nataon’ireo rahalahy avy hatrany aza, izay hanontana pirinty tsikelikely tamin’ny teny romanianina sy hongroà, ireo lesona 90 tao amin’ny boky Fitaovana Hanampiana ny Mpitory Ilay Fanjakana.

Ny tena tanjon’ny Rahalahy Rütimann, dia ny hitsidika fiangonana sy antoko-mpitory maro araka izay azo atao, mba hiresahana ireo lahateny lehibe tokony ho ren’izy ireo tamin’ilay fivoriambe. Nanomboka nitety ny faritra efa niorenan’ny fahamarinana àry izy sy ny Rahalahy Magyarosi, izay nandika teny. Nisy fizarana roa ny diany, ary nanomboka tao Transylvanie.

Transylvanie sy tany an-toeran-kafa

Nanao ezaka mafy ny mpitory tao Transylvanie, toy ny tany amin’ny faritra maro, mba hanatrehana ireo fivoriana manokana. Vonona hiari-tory kokoa izy ireo, satria tery ny fandaharam-potoanan’ireo vahiny. Tamin’ny folo ora alina ka hatramin’ny roa ora maraina, ohatra, ny fandaharana, tao an-tanànan’i Vama Buzăului. Tsy nitaraina mihitsy anefa ireo mpanatrika 75.

Hoy i Alfred Rütimann, tatỳ aoriana: “Tsy mitovy amin’ny antsika ny fomba fijeriny ny fotoana. Tsy mampaninona azy ny mifoha amin’ny roa ora na amin’ny telo ora maraina ho an’ny vahiny. Tsy maharototra azy ireo loatra ny resaka fotoana! Mandeha an-tongotra izy ireo, ary indraindray aza manao dia lavitra tsy mikiraro, nefa toa manam-potoana kokoa, sady tsy dia be fanahiana toa antsika. Nihevitra aho tamin’ny voalohany fa tsy nety ny nandaminanay ilay fivoriana ho amin’ny alina be. Nanome toky anefa ny Rahalahy Magyarosi fa nety izany.”

Nijanona tao Tîrgu Mureş indray izy ireo. Nisy 31 000 ny mponina tao tamin’izany. Simban’ny ady koa io tanàna io, ary vitsy ny tetezana tavela. Nanao dia lavitra efa ho 50 kilaometatra anefa ireo rahalahy 700 anisan’ny fiangonana 25, mba hankanesana tao Tîrgu Mureş. Toerana nalalaka tao anaty ala tsy lavitra ny tanàna no nanaovana ilay fivoriana.

Nankany Cluj-Napoca koa ireo rahalahy. Olona 300 avy tamin’ny fiangonana 48 no nivory tao. Nasehon’ny Rahalahy Magyarosi tamin’ny Rahalahy Rütimann koa ilay trano fanontam-pirintintsika, izay nafoy tamin’ny 1928 noho ny zavatra nataon’i Jacob Sima. Ary inona no niafarany? “Maty tamin’ny taon-dasa izy”, hoy ny Rahalahy Rütimann tao amin’ny tatitra nataony. “Nanjary mamo lava izy.”

I Satu Mare sy Sighet Marmaţiei, any akaikin’i Ukraine indray no nijanonana nanaraka. Nisy fiangonana 40 mahery, niteny romanianina sy hongroà ary ukrainien, tany. Azo lazaina hoe nahavita tena ny mponina tao. Izy ireo ihany no namokatra ny sakafo sy zavamaniry fanaovana tenona nilainy. Toy izany koa ny biby fiompy, indrindra fa ny ondry. Ry zareo ihany no nanao ny akanjony sy ny bodofotsiny, ary nandona ny hoditra nilainy. Olona tao an-tanàna ihany no nanao ny kirarony. Nanao akanjo nentim-paharazana nisy peta-kofehy ny ankamaroan’ireo rahalahy sy anabavy nanatrika ireo fivoriana manokana, ary izy ireo ihany no nanamboatra azy ireny.

Nankany Moldova, tany avaratratsinanan’i Romania, ny Rahalahy Rütimann sy Magyarosi tamin’ny fizarana faharoa tamin’ilay diany. Tao an-tanànan’i Frătăuţii izy ireo no nijanona voalohany. Tena tia nandray vahiny ireo rahalahy tao, na dia nahantra aza. Jiro solitany no nanazava. Ronono velona, mofo, koban-katsaka, ary atody nampangotrahina sy nalana akorany ary natsoboka kely tao anaty dibera nempoina no narosony ho an’ny vahiny. Vilia baolina kely no nihinanan’ny rehetra. “Tena tsara ilay sakafo”, hoy ny Rahalahy Rütimann. Tao an-dakozia ny vahiny no natory tamin’iny alina iny, ary natao teo akaikin’ny lafaoro ny fandrian’izy ireo mba hafana kokoa. Tsy lavitra teo kosa no natorian’ny mpampiantrano, teo ambonin’ny gony nisy mololo.

Nazoto nanompo ireo Vavolombelona tao amin’io faritra io, ka nandrotsahan’i Jehovah fitahiana tondraka. Nisy mpitory 33 tao, tamin’ny lohataonan’ny 1945. Nitombo avo folo heny anefa izany rehefa notsidihina ilay toerana tamin’ny 1947, ka lasa 350!

Nandeha voatiry, toy ny fanao tany ambanivohitra ireo rahalahy, mba hanaovana ireo 120 kilaometatra nankany Bălcăuţi sy Ivăncăuţi. Hoy ny rahalahy iray: “Tena tsara ny soavaly romanianina na dia kely vatana aza. Afaka mandeha foana mantsy izy ireo, na andro na alina, ary na ratsy toy inona aza ny lalana.” Tamin’ny 1945 no niforona ny Fiangonana Bălcăuţi, ary avy tamin’ny fiangonana ara-pilazantsara ny mpitory tao. Ilay mpitoriteny tao amin’io fiangonana io no lasa mpiandraikitra ny Fiangonana Bălcăuţi. Avy ny orana tao Ivăncăuţi, ka tao an-tranon’ny rahalahy iray no natao ilay fivoriana. Tsy nampaninona an’ireo mpanatrika 170 anefa izany. Nisy tamin’izy ireo aza nandeha tsy nikiraro 30 kilaometatra mba hahatongavana teo.

Mpitory sy olona liana 4 504, avy tamin’ny fiangonana 259 no niresahan’izy mirahalahy, tany amin’ny toerana 19. Nanao lahateny tany Orastie sy Arad koa i Alfred Rütimann, talohan’ny niverenany tany Soisa. Rahalahy maro no nandeha an-tongotra, 60 na 80 kilaometatra, mba hankanesana tany amin’ilay toeram-pivoriana. Tena nankasitraka io fivoriana io ny tantsaha iray 60 taona, matoa nandeha tsy nikiraro 100 kilaometatra!

Dingana lehibe teo amin’ny fizotran’ny ny asa teto Romania ireny fivoriana manokana ireny, ary tonga tamin’ny fotoana nilana azy. Nila fampaherezana mantsy ireo rahalahy, sady efa masaka hojinjaina ny vokatra. Leon’ny fampahorian’ny mpitondra sy ny voka-dratsin’ny ady ny Romanianina, ary maro no diso fanantenana tamin’ny fivavahana. Teo koa ilay fitotongan’ny sandam-bola tamin’ny Aogositra 1947, izay nahatonga olona maro ho bankirompitra tampoka. Maro tamin’ireo nanohitra àry no lasa vonona hihaino.

Misy antony hafa koa ilazantsika fa tonga tamin’ny fotoana nilana azy ireny fivoriana ireny. Nananontanona ny fanenjehana nahery vaika kokoa, avy tamin’ireo tsy nino an’Andriamanitra sy ireo mpitondra tsy nifaditrovana. Naharitra 40 taona teo ho eo izany!

Nofehezin’ny Sovietika i Romania

Ny Kominista indray no nitondra tany Romania tamin’ny Novambra 1946, izany hoe herintaona talohan’ny fitsidihan’i Alfred Rütimann. Nofongoran’ny antoko kominista ny mpanohitra nandritra ireo taona nanaraka, ary nohafainganiny ny fametrahana an’i Romania ho eo ambany fifehezan’ny Firaisana Sovietika. Nampitovina tanteraka tamin’izay nisy tany amin’ny Firaisana Sovietika ny rafitr’ireo fikambanana ara-kolontsaina sy politika teto Romania.

Nahay nanararaotra ilay fotoam-pilaminana talohan’ny fanenjehana ireo rahalahy, ka namokatra gazety sy bokikely ary boky hafa ana hetsiny, ary nitsinjara izany tany amin’ny trano fanatobiana boky 20 nanerana ilay firenena. Maro koa anefa no nampitombo ny asa fanompoany. Nisy aza nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, toa an’i Mihai Nistor sy Vasile Sabadâş.

Notendrena ho any avaratrandrefana sy afovoan’i Transylvanie i Mihai. Nanohy ny asan’ny mpisava lalana izy tany, na dia nanenjika azy foana aza ny fahavalo, taorian’ny fandraran’ny Kominista. Inona no nataony mba tsy ho voasambotra? Hoy izy: ‘Nanamboatra kitapo toy ny an’ireo mpivarotra varavarankely aho. Nanao akanjo fitondra miasa aho, nitondra fitaovana sy fitaratra varavarankely, ary nivezivezy tao amin’ireo tanàna nanendrena ahy. Nody niantsoantso aho mba hividianan’ny olona ny entako, rehefa nahita polisy na olona nampiahiahy. Tetika hafa kosa no nampiasain’ny rahalahy hafa. Nahafinaritra ilay asa nefa nety hampidi-doza, tsy ho anay mpisava lalana ihany, fa ho an’ireo fianakaviana nampiantrano anay koa. Faly be anefa izahay nahita ny fandrosoan’ireo mpianatra Baiboly sy ny fitomboan’ny isan’ny mpitory.’

Nanohy ny asan’ny mpisava lalana koa i Vasile Sabadâş, na dia voatery nifindra matetika aza. Nanampy be dia be izy, teo amin’ny fikarohana sy fanampiana ireo rahalahy naparitaky ny polisy miafina. Ireny polisy ireny no tena nampiasain’ny sampan-draharahan’ny fiarovana tao amin’ilay fitondrana kominista. Hoy i Vasile: “Tsy maintsy malina sy nikaroka hevi-baovao aho, mba tsy ho voasambotra. Nataoko foana, ohatra, izay hananana antony azo ekena hankanesana tany amin’ny faritra hafa, rehefa hanao izany aho. Anisan’izany ny hoe nasain’ny dokotera nankany amin’ny toerana fandroana amin’ny rano mafana voajanahary aho.”

“Nataoko izay tsy hampiahiahy ny olona, ka afaka nifandray sy nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka ireo rahalahy. Noraisiko ho teny filamatra ny Isaia 6:8 hoe: ‘Inty aho, iraho aho’ sy ny Matio 6:33 hoe: ‘Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany.’ Nanome ahy fifaliana sy hery hiaretana ireo andinin-teny ireo.” Nila ireo toetra ireo i Vasile satria voasambotra toy ny maro hafa ihany izy tamin’ny farany, na dia nitandrina aza.

Fanafihana ny fandaminan’Andriamanitra

Lasa sarotra be ny nifandray tamin’ny foibe tamin’ny 1948, ka matetika ireo rahalahy no nampiasa karta misy hafatra nolazaina an-kolaka. Nampita ny hafatr’i Petre Ranca, mpiara-miasa taminy tao amin’ny biraon’ny sampan’i Bucarest, i Martin Magyarosi, tamin’ny Mey 1949. Hoy izy: “Salama avokoa ny mpianakavy. Nisy rivo-mahery sy hatsiaka namirifiry, ka tsy afaka niasa teny an-tsaha izahay.” Nisy rahalahy hafa koa nanoratra, tatỳ aoriana, hoe: “Tsy afaka mahazo vatomamy mihitsy ny fianakaviana”, sy hoe: “Maro no marary.” Te hilaza izy fa tsy azo natao ny nandefa sakafo ara-panahy teto Romania, ary rahalahy maro no nigadra.

Nakaton’ny fanjakana ny birao sy toeram-ponenan’ny sampana teto Bucarest taorian’ilay didy navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny 8 Aogositra 1949. Nalaina an-keriny koa ny fitaovana rehetra, anisan’izany ny entan’ireo rahalahy. Nandritra ireo taona nanaraka, dia rahalahy an-jatony no voasambotra sy nohelohina. Nampangaina ho Kominista ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nitondra ny Fasista. Nolazaina fa “mpanjana-tany” sy “mpanohana an’i Etazonia” indray anefa izy ireo, rehefa nitondra ny Kominista.

Namitsaka teny rehetra teny ny mpitsikilo. Nilaza ny Diary 1953, fa “lasa hentitra be izao” ny fepetra noraisin’ny Kominista, “ka nampidirina ho anisan’ireo nahiahina sy narahi-maso akaiky, izay olona avy eto Romania naharay taratasy avy tany amin’ireo firenena tsy kominista.” Hoy koa ilay tatitra: “Toa tsy ho azo alaina sary an-tsaina ny horohoro misy any. Tsy mifampatoky na dia ny mpianakavy aza. Tsy misy intsony ny fahalalahana.”

Nosamborina teo am-piandohan’ny 1950, ry Pamfil sy Elena Albu, Petre Ranca, Martin Magyarosi, ary ny maro hafa, satria nendrikendrehina ho mpitsikilon’ireo firenena tsy kominista. Nampijalina ny sasany mba hanerena azy hilaza zavatra tsiambaratelo sy hiaiky hoe mpitsikilo. Ny hany nolazainy anefa dia ny hoe nanompo an’i Jehovah izy ireo ary nampandroso ny asan’ilay Fanjakany. Nogadraina ny rahalahy sasany rehefa avy nampijalina. Ny hafa kosa nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Inona no vokatr’izany teo amin’ny asa? Nitombo valo isan-jato ny isan’ny mpitory tany Romania, tamin’io taona 1950 io. Miharihary tokoa ny herin’ny fanahin’Andriamanitra!

Nalefa tany amin’ny fonjan’i Gherla tany Transylvanie ny Rahalahy Magyarosi, na dia efa ho 70 taona aza. Tany izy no maty tamin’ny faran’ny taona 1951. Hoy ny tatitra iray: “Mafy sady maro ny fijaliana niaretany noho ny fahamarinana, indrindra hatramin’ny nisamborana azy tamin’ny Janoary 1950. Nifarana ireny fijaliana ireny ankehitriny.” Nandritra ny 20 taona teo ho eo tokoa no niaretan’i Martin ny fampijalian’ny mpitondra fivavahana sy ny Fasista ary ny Kominista. Mampahatsiahy izao tenin’ny apostoly Paoly izao ny tsy fivadihany: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.” (2 Tim. 4:7) Ohatra tsara tamin’ny fiaretana zava-tsarotra koa i Maria vadiny, na dia tsy nigadra aza. Nisy rahalahy nilaza fa “anabavy nahira-tsaina sy be zotom-po tamin’ny asan’ny Tompo” izy. Ny havany no nikarakara azy, taorian’ny nisamborana an’i Martin. Anisan’izany i Mărioara, zanany vavy natsangany, izay nafahana avy tany am-ponja tamin’ny faramparan’ny taona 1955.

“Olona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah”

Nisy famotsoran-keloka nataon’ny fanjakana tamin’ny 1955, ka nafahana ny ankamaroan’ireo rahalahy. Vetivety ihany anefa izany. Nenjehina sy nosamborina indray izy ireo, tamin’ny 1957 ka hatramin’ny 1964. Nisy aza nomelohina mandra-pahafaty. Tsy kivy anefa ireo rahalahy nigadra, fa nifandrisika mba tsy hivadika. Nanjary nahafantarana azy ireo ny fitsipika narahiny sy ny tsy fivadihany. Hoy ny gadra politika iray: “Olona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy hanaiky hiala amin’ny fivavahany.” Nilaza koa izy fa ny Vavolombelon’i Jehovah no “mpigadra tiana indrindra” tao amin’ilay fonja nisy azy.

Nisy famotsoran-keloka hafa tamin’ny 1964, nefa koa tsy naharitra ela, satria nitombo ny fisamborana tambabe teo anelanelan’ny 1968 sy 1974. Nanoratra ny rahalahy iray hoe: “Nampijalina sy nesoina izahay, satria nampiely ny Filazantsara. Iangavianay ianareo mba hahatsiaro amim-bavaka ireo rahalahintsika nigadra. Fantatsika fa fitsapana tsy maintsy iaretantsika izany. Tokony hisikina herim-po àry isika, ka hitory ny vaovao tsara hatrany, araka ny Matio 24:14. Iangavianay mafy indray anefa ianareo, mba tsy hanadino anay!” Ho hitantsika fa nihaino ny vavaka mafy sy tamin-dranomaso nataon’ny mpanompony tsy nivadika i Jehovah, ary nampahery azy ireo tamin’ny fomba maro samihafa.

Namafy tsy fifampitokisana i Satana

Tsy avy any ivelany ihany ny Devoly no manafika ny mpanompon’Andriamanitra, fa avy ao anatiny koa. Tsy naverina tamin’ny andraikiny talohan’ny nisamborana azy, ohatra, ny rahalahy sasany, rehefa nafahana tamin’ny 1955. Nanjary tezitra izy ireo ary nampisy tsy fifanarahana. Nahatoky izy ireo tany am-ponja, nefa nampalahelo fa lasa resin’ny hambom-po! Rahalahy nitana andraikitra lehibe iray, fara fahakeliny, no nahavita niara-niasa tamin’ny polisy miafina, mba tsy ho voasazy. Nisy vokany ratsy teo amin’ireo Kristianina tsy nivadika sy ny asa fitoriana izany.—Matio 24:10.

Teo koa ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny raharaha niankina tamin’ny feon’ny fieritreretana. Matetika, ohatra, ireo rahalahy voasambotra no navela hifidy na ho any am-ponja na hiasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana sira. Nisy nihevitra fa nampandefitra ny toro lalan’ny Baiboly izay nifidy ilay faharoa. Ny hafa indray nino fa tsy tokony hanao makiazy ny anabavy, ary tsy nety, hono, ny nijery sinema na teatra, na nanana radio.

Tsy hadinon’ireo rahalahy mihitsy anefa fa zava-dehibe ny tsy mivadika amin’Andriamanitra. Nampiharihary an’izany ny tatitra ho an’ny taom-panompoana 1958. Nisy 5 288 ireo nanompo teny amin’ny saha, izany hoe nanan-tombo 1 000 mahery noho ny tamin’ny 1957! Nisy 8 549 koa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, ary 395 no natao batisa.

Nanomboka ny fitsapana hafa tamin’ny 1962. Nanazava mantsy Ny Tilikambo Fiambenana fa ny fitondram-panjakan’olombelona ireo “manam-pahefana” resahin’ny Romanina 13:1, fa tsy i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy araka ny niheverana azy teo aloha. Sarotra tamin’ny rahalahy maro teto Romania ny nanaiky izany, satria nijaly mafy teo an-tanan’ny mpitondra tsy nifaditrovana izy ireo. Nihevitra aza ny sasany hoe teti-dratsin’ny Kominista mba haneken’izy ireo tanteraka ny Fitondrana ilay izy, fa tsy araka ny toro lalana ao amin’ny Matio 22:21.

Nifampiresaka tamin’ny Vavolombelona iray efa tany Berlin, Roma, ary tanàna hafa ny rahalahy iray. Hoy izy: ‘Nohamafisin’io mpanao dia lavitra io fa tena sakafo ara-panahy avy tamin’ny mpanompo ilay fanazavana, fa tsy teti-dratsin’ny Kominista. Mbola nisalasala anefa aho, ka nanontaniako momba izay tokony hataonay ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra.’

Hoy ny navaliny: “Tohizo fotsiny ilay asa, fa izany no tokony hataontsika!”

“Tena tsara ilay torohevitra, ary faly aho fa mbola manohy io asa io hatramin’izao.”

Nisy olana lehibe teo amin’ny fifandraisana. Nanao izay azony natao anefa ny Foibe sy ny sampana niandraikitra ny asa teto Romania, mba hahalalan’ireo rahalahy ny fanazavana azo farany momba ny fahamarinana. Nataony koa izay hahatonga an’ireo rahalahy hiara-miasa toy ny fianakaviana tafaray. Nanoratra taratasy àry izy ireo, sady nanomana lahatsoratra nety tsara tao amin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana.

Ahoana no nahazoan’ny vahoakan’i Jehovah an’ireny sakafo ara-panahy ireny? Nisy fifandraisana niafina teo amin’ireo rahalahy rehetra anisan’ny Komitin’ny Tany sy ny mpiandraikitra mpitety faritany ary ny anti-panahin’ny fiangonana. Nisy iraka natokisana nampifandray azy ireo tsy tapaka. Ireny iraka ireny koa no nankany amin’ny biraon’ny sampan’i Soisa mba hitondra taratasy sy tatitra, na haka izany. Nahazo sakafo ara-panahy sy tari-dalan’Andriamanitra ihany àry ireo rahalahy.

Nampisy firaisan-tsaina teo anivon’ny fiangonana na antoko-mpitory nisy azy koa, ireo rahalahy sy anabavy tsy nivadika. Anisan’ireny i Iosif Jucan. Nilaza foana izy hoe: “Tsy afaka ny hanantena ho voavonjy amin’ny Hara-magedona isika, raha tsy mandray sakafo ara-panahy tsy tapaka sy mifandray akaiky foana amin’i ‘Neny.’ ” Ny fifandraisana hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah no tiany horesahina eo. Sarobidy tamin’ny vahoakan’i Jehovah ireny rahalahy tsy nivadika ireny, ary niaro tamin’ireo nitady handrava ny firaisan-tsaina.

Ireo tetikadin’ny fahavalo

Nataon’ny Kominista izay hampihenana ny finoan’ny mpanompon’i Jehovah na izay hahatonga azy ireo hanaiky lembenana. Nampiasainy tamin’izany ny mpitsikilo, mpamadika, fampijaliana, fanelezana lainga, ary fandrahonana ho faty. Tsy iza no nasainy nitsikilo sy nitati-bolana, fa ny mpiray tanàna, mpiara-miasa, mpivadi-pinoana, mpianakavy, ary polisy miafina. Tafatsofoka teo anivon’ny fiangonana mihitsy aza ireny polisy miafina ireny. Niseho ho liana tamin’ny fahamarinana izy ireo, ary nianatra ireo teny fampiasantsika amin’ny fanompoana. Nampidi-doza ireny “rahalahy sandoka” ireny, ary maro no voasambotra noho ny nataony. Nitana andraikitra lehibe mihitsy aza i Savu Gabor, iray tamin’izy ireo. Tratra anefa izy tamin’ny 1969.—Gal. 2:4.

Nisy iraky ny fanjakana koa nitsikilo olona sy fianakaviana, ka nampiasa mikrô nafenina. Hoy i Timotei Lazăr: ‘Nampanantsoina matetika tany amin’ny foiben’ny polisy miafina ny ray aman-dreniko sy ny zandriko lahy, raha mbola tany am-ponja aho. Nofotopotorana hatramin’ny adiny enina izy ireo indraindray. Nanafina mikrô tao an-tranonay izy ireo, indray andro. Elektrisianina ilay zandriko, ka voamariny ny harivan’iny fa nihodina haingana kokoa noho ny mahazatra ny kaonteran-jiro. Nijerijery tao an-trano izy, ary nahita fitaovana roa fihainoana an-tsokosoko. Nalainy sary izy ireo, ary nesoriny. Tonga ny iraky ny polisy miafina ny ampitso, ary nangataka ny kilalaony, araka ny niantsoany azy ireo.’

Matetika ireo lainga naely no nalaina avy tao amin’ny lahatsoratra efa nivoaka tany amin’ny tany kominista hafa. Avy tamin’ny gazety rosianina, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Ny Sektan’ny Jehovista sy ny Toetrany Mpikomy.” Nampangain’io lahatsoratra io ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nolazainy fa ‘fikambanana ara-politika’ te ‘handrava ny tany sosialista.’ Nampirisika ny mpamaky koa ilay lahatsoratra, mba handaza an’izay mampiely ny fampianaran’ny Vavolombelona. Tsapan’ny olona misaina avy amin’izany anefa, fa efa miaiky ny tsy fahombiazany ny mpanohitra. Nilaza tamin’ny rehetra izany fa mbola niasa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy nangina velively.

Tafahoatra mihitsy ny habibiana efa nomanin’ny polisy miafina, rehefa nahasambotra rahalahy na anabavy izy ireo. Nampiasa fanafody simika mihitsy aza izy ireo mba hampitenenana an’izay azony. Nisy vokany teo amin’ny saina sy ny rafi-pitatitra anefa izy ireny. Efa niharan’io fampijaliana io i Samoilă Bărăian. Hoy izy: “Nampihinana zava-mahadomelina ahy ry zareo raha vao nanomboka ny fakana am-bavany. Nanimba kokoa noho ny kapoka izy ireny. Tsy ela dia voamariko fa hafahafa aho, satria tsy afaka nandeha nahitsy sy niakatra tohatra. Nanjary tsy nahita tory matetika aho. Tsy afaka nifantoka tsara aho sady niakanakam-piteny.”

“Niharatsy hatrany ny fahasalamako. Tsy nahare tsiron-kanina intsony aho nony afaka iray volana teo ho eo. Tsy niasa intsony ny taovam-pandevonan-kaniko, ary toy ny hoe nipitsoka daholo ny tonon-taolako rehetra. Nanaintaina mafy ny vatako. Tsemboka be ny tongotro, ka roa volana dia potika ny kiraroko, ary tsy maintsy nariana. Nihiakiaka ilay mpaka am-bavany hoe: ‘Nahoana ianao no mbola mandainga ihany e? Tsy hitanao angaha izao niafaranao izao?’ Te hisafoaka mafy aho, ary nila nifehy tena be.” Sitrana tanteraka ny Rahalahy Bărăian, tatỳ aoriana.

Nampiasa fampijaliana ara-tsaina koa ny polisy miafina, araka ny notantarain’i Alexa Boiciuc: “Iny no alina mafy indrindra tamiko. Nofohazina aho, ary nentina tao amin’ny efitra iray nahafahako nandre ny nikapohana ny rahalahy iray. Nahare anabavy nitomany aho, taorian’izay, ary henoko avy eo ny feon’i Neny. Naleoko mihitsy izaho no nokapohina, toy izay nasaina niaritra ireo zavatra ireo.”

Nilazana ireo rahalahy fa havotsotra izy ireo raha manome ny anaran’ny Vavolombelona hafa, ary ny ora sy toeram-pivoriana. Nampirisihina hisaraka tamin’ny vadiny nigadra ny vehivavy. Hanana hoavy tsara kokoa, hono, ny zanany amin’izay.

Voatery niasa tamin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iombonana ny rahalahy maro, satria nalain’ny fanjakana ny fananany. Tsy dia ratsy ilay asa, saingy matetika ny mpiasa no nasaina nanatrika fivoriana politika. Nesoina izay tsy nanatrika izany, ary nahena ho kely dia kely ny karamany. Mazava ho azy fa niteraka zava-tsarotra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, satria tsy hanao fivoriana na raharaha politika mihitsy izy ireo.

Nakan’ireo iraky ny fanjakana koa ny fananana, indrindra fa izay azo namidy, rehefa nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelona izy ireo. Matetika koa izy ireo no manimba fatana amin’ny aty ririnina, nefa io no hany nanafana ny trano. Nahoana izy ireo no nanao izany? Satria, hono, toerana azo anafenana boky sy gazety ny fatana. Tsy nangina anefa ireo rahalahy. Ho hitantsika fa niresaka momba an’i Jehovah sy nifampionona hatrany, na dia ireo niaritra fampijaliana sy tsy fisiana tany amin’ny toby sy fonja aza.

Fiderana an’i Jehovah tany amin’ny toby sy fonja

Telo ny toby lehibe fiasana an-terivozona teto Romania, ankoatra ny fonja. Ny iray teo amin’ny Vinanihefak’i Danube, ny iray hafa teo amin’ny Nosy Lehiben’i Braila, ary ny fahatelo teo amin’ilay lakandrano mampitohy an’i Danube amin’ny Ranomasina Mainty. Nanomboka teo am-piandohan’ny fitondrana kominista, dia matetika ny Vavolombelona no tafaraka tamin’ireo nanenjika azy, izay nosamborina noho izy nifandray tamin’ny fitondrana teo aloha. Nisy rahalahy mpiandraikitra ny faritra aza niara-nigadra tamin’ny pretra 20! Mazava ho azy fa nampisy resaka nahaliana maro izany.

Nisy mpampianatra teolojia, ohatra, nigadra tao amin’ny fonja iray, ary izy io no mpanadina an’ireo nirotsaka ho pretra. Niresaka taminy ela be ny rahalahy iray, ka tsy ela dia nahalala fa tsy nisy zavatra fantatr’izy io firy momba ny Baiboly. Nihaino io resaka io ny voafonja, anisan’izany ny jeneraly tao amin’ny tafiky ny fitondrana teo aloha.

Hoy ilay jeneraly tamin’ilay mpampianatra: ‘Nahoana moa ny olon-tsotra no mahay Baiboly kokoa noho ianao?’

Namaly ilay mpampianatra hoe: “Nampianarina fombafomban’ny eglizy sy izay mifandray aminy izahay tany amin’ny seminera, fa tsy Baiboly.”

Tsy nahagaga an’ilay jeneraly izany, fa hoy fotsiny izy: “Natoky ny fahalalanareo izahay. Hitako anefa izao fa voafitaka tanteraka izahay.”

Voafonja maromaro, tatỳ aoriana, no lasa nahalala tsara ny fahamarinana sy nanolo-tena ho an’i Jehovah. Anisan’izany ny lehilahy iray nigadra 75 taona noho ny halatra. Niova be mihitsy ny toetrany ka voamariky ny mpiandraikitra ny fonja. Nomeny asa vaovao àry izy, na dia tsy fanome olona nigadra noho ny halatra aza izany. Nirahina nankany an-tanàn-dehibe izy, mba hividy ny entana nilain’ny fonja, nefa tsy nisy mpanaraka!

Mafy anefa ny fiainana tany am-ponja, ary tsy nisy firy ny sakafo. Nangatahin’ny voafonja mihitsy aza ny tsy hamoasana ny ovy, mba ho bebe kokoa ny hohanina. Nihinana betiravy, ahitra, ravinkazo, ary zavamaniry hafa koa izy ireo, mba hamenoana kibo. Maromaro tatỳ aoriana no matin’ny tsy fahampian-tsakafo, ary nivalan-dra izy rehetra.

Nandraoka tany teo amin’ny Vinanihefak’i Danube sy nitatitra izany teo amin’ny tohodrano no nataon’ireo rahalahy, tamin’ny fahavaratra. Nijoro teo ambonin’ny ranomandry kosa izy ireo rehefa ririnina mba hanapaka zozoro. Natory tao anaty sambo vy efa tranainy iray izy ireo, ary niaritra ny hatsiaka sy loto ary haofotsy. Ny mpiambina koa amin’izany mafy fo, ary tsy nangoraka mihitsy na dia nisy voafonja maty aza. Na inona na inona anefa toe-javatra nisy azy ireo, dia nifampahery sy nifanampy foana ireo rahalahy, mba hananana finoana matanjaka hatrany. Raiso, ohatra, i Dionisie Vârciu.

Nanontanian’ny polisy iray toy izao i Dionisie, taloha kelin’ny nanafahana azy: “Afaka nampiova ny finoanao ve ry Vârciu ny fampidirana am-ponja?”

Hoy i Dionisie: “Hono ho’aho, aza fady! Hanakalo kompile tsara tarehy amin’ny kompile tsy dia tsara ve ianao?”

“Tsia”, hoy ilay polisy.

Hoy i Dionisie: “Dia toy izany koa, fa tsy nisy nanolotra ahy zavatra tsara kokoa noho ny finoako, nandritra ny fitanana ahy. Koa nahoana aho no hiova?”

Nandray ny tanan’i Dionisie ilay polisy, ary nilaza hoe: “Afaka ianao, ry Vârciu. Tano hatrany ny finoanao.”

Tsy hoe nahery noho ny olon-kafa ireo rahalahy sy anabavy toa an’i Dionisie. Ny finoany an’i Jehovah no nananany herim-po sy tanjaka ara-panahy. Nahagaga mihitsy ny fomba nameloman’izy ireo hatrany izany finoany izany.—Ohab. 3:5, 6; Fil. 4:13.

Fianarana avy amin’ny zavatra tadidy

Hoy i András Molnos: “Fotoana nahazoako fampiofanana kristianina ny fotoana nigadrako.” Nilaza izany izy satria nahatsapa fa sarobidy ny niara-nivory isan-kerinandro tamin’ireo rahalahy, mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. “Matetika”, hoy i András, “no avy amin’ny zavatra tadidy fotsiny no nahazoana ireo fanazavana, fa tsy nisy zavatra voasoratra. Nitadidy ireo lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, nianarany talohan’ny nigadrany, ireo rahalahy. Nisy vitsivitsy aza nahatsiaro izay rehetra voalazan’ny gazety iray manontolo, hatramin’ny fanontaniana tao amin’ireo lahatsoratra fianarana!” Ny asa nataony talohan’ny nisamborana azy indraindray, no nahatonga ny sasany tamin’izy ireo hahatadidy tsara toy izany. Nadika tanana mantsy ny sakafo ara-panahy tamin’izany.—Jereo ilay efajoro hoe “Fanaovana Dika Mitovy”, pejy 132-133.

Nampahafantatra mialoha ny foto-kevitra hodinihina ireo rahalahy tompon’andraikitra rehefa nandamina fivoriana. Niezaka nitadidy lafin-javatra nifandray tamin’ilay foto-kevitra ireo voafonja. Nety ho andinin-teny izany, na hevitra avy tamin’ireo boky fianarana Baiboly. Nivory ny rehetra avy eo, mba hiara-midinika izany. Teo am-pivoriana izy ireo no nifidy izay hitarika ilay fiaraha-midinika sy hametraka fanontaniana nifanentana, taorian’ny vavaka fanokafana. Nilaza ny heviny ilay mpitarika, rehefa avy nanome fanazavana ny olon-kafa rehetra. Nifindra ho amin’ny hevitra manaraka izy, taorian’izany.

Voarara ny fifampiresahan’olona maromaro tany amin’ny fonja sasany. Tena nahay namoron-kevitra anefa ireo rahalahy. Hoy ny rahalahy iray: “Fanaonay ny nanala ny fitaratry ny varavarankelin’ny efitra fidiovana, ary nandoko azy tamin’ny fetan-tsavony, nafangaro sokay nokikisanay avy teo amin’ny rindrina. Toy ny solaitrabe ilay takelaka rehefa maina, ka nahafahanay nanoratra ny lesona ho an’ny andro. Nisy rahalahy iray nanonona tsimoramora ireo teny, ary ny iray hafa nanoratra izany teo amin’ilay takelaka.”

“Lasa nisy antokona mpianatra ny Baiboly tao amin’ireo efitra maromaro nizarana anay. Nampitampitaina tamin’ireo rahalahy niray efitra ny lesona tsirairay. Efitra iray ihany no nanana ilay takelaka, ka tamin’ny alalan’ny paipaika no nahazoan’ireo rahalahy tany amin’ny efitra hafa ny fanazavana. Ahoana no nanaovana azy? Nisy iray taminay nipaipaika ny rindrina na ny fantsona fanafanana, mba hampitana ny lahatsoratra. Nataony moramora araka izay azo atao anefa izany. Ireo rahalahy tsirairay tany amin’ny efitra hafa kosa dia tsy maintsy nitana ny kaopiny teo anelanelan’ny sofiny sy ny rindrina na fantsona, ary nanao izany ho fitaovana fihainoana. Mazava ho azy fa tsy maintsy nianatra ny dikan’ireo paipaika izay tsy nahay izany.”

Nahazo sakafo ara-panahy avy etỳ ivelany kosa ireo rahalahy tany amin’ny fonja sasany, satria nahay namoron-kevitra ireo anabavy. Nasitrik’izy ireo tao anaty koba, ohatra, ny boky sy gazety, rehefa nanao mofo izy ireo. Nantsoin’ireo rahalahy hoe mofo avy any an-danitra izy ireny. Nahavita nampiditra ampahany amin’ny Baiboly tao am-ponja aza ireo anabavy, ka izao no fomba nanaovany azy: Nataony niforitra tsara ireo pejy, ary nampidiriny tao anaty kanety plastika nolaloriny sôkôlà sy kakaô.

Ny zavatra tsy nahafinaritra tamin’ilay izy anefa dia izao: Tsy maintsy tany an-kabine ireo rahalahy no namaky teny, satria tany ihany izy ireo no nitoetra irery tsy nisy niambina nandritra ny minitra vitsivitsy. Rehefa nahavita ny anjarany ny rahalahy iray, dia nanafina ilay pejy tao ambadiky ny fitahirizan-dranon’ny kabine. Nahafantatra io toerana fanafenana io koa ireo voafonja tsy Vavolombelona, ary maro tamin’izy ireo no afaka namaky tamim-pilaminana.

Vehivavy sy ankizy tsy nivadika

Nenjehin’ny fianakaviany, toa an’ireo Vavolombelona hafa, i Viorica sy Aurica Filip. Mpiray tam-po izy ireo, ary nanana anadahy fito sy zokivavy iray. Hoy i Viorica: “Naniry hanompo an’i Jehovah i Aurica, ka voatery niala tao amin’ny oniversiten’i Cluj-Napoca, tamin’ny 1973. Natao batisa izy, tsy ela taorian’izay. Tena nanaitra ahy ny zotom-pony sy ny fahatsoram-pony, ka nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra aho. Nianarako fa nampanantena fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany Andriamanitra. Hoy aho anakampo: ‘Misy tsara kokoa noho izany ve?’ Nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly aho, rehefa nandroso tsara ny fianarako, ka tsy nety niditra tamin’ny Antoko Kominista.”

Hoy ihany i Viorica: “Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho, tamin’ny 1975. Tsy maintsy niala tao an-trano koa aho, ary nipetraka tany Sighet Marmaţiei niaraka tamin’ny havanay. Mpampianatra no asako tany. Tsy nety nanao politika aho, ka nilaza tamiko ny tompon’andraikitra tao an-tsekoly fa horoahina aho amin’ny faran’ny taom-pianarana. Nitady fomba hisakanana izany ny fianakaviako, ka nanomboka nanenjika ahy sy ny zandriko vavy.”

Na ny mpianatra aza nampitahorina, ary anisan’ny nanao izany ny polisy miafina. Ankoatra ny teny mahery sy ny fampijaliana, dia maro no voaroaka sy voatery niova sekoly. Tao koa ireo tsy navela hanohy ny fianarany tsotra izao. Nanakarama ankizy ho mpitsikilo mihitsy aza ny polisy!

Nilaza toy izao i Daniela Măluţan, mpisava lalana: “Matetika aho no nampietrena teo anoloan’ny mpiara-mianatra, noho izaho tsy nety niditra tao amin’ny Vondron’ny Tanora Kominista. Tao ny tanora no nampianarina politika. Nampijaly be ahy ny polisy miafina, rehefa niditra tao amin’ny kilasy fahasivy aho. Toy izany koa ireo mpampianatra sy mpiasa hafa, izay lasa mpitati-bolana. Nalaina am-bavany tao amin’ny biraon’ny tale foana aho, saika isaky ny alarobia tapa-bolana, tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1982. Marihina fa tsy navela hanatrika ireny fakana am-bavany ireny ilay tale. Kolonely ilay polisy naka am-bavany ahy. Fantatr’ireo anadahy tany Bistriţa-Năsăud tsara izy, noho ny fankahalany sy ny fanenjehany antsika. Nampiseho taratasy niampanga ireo anadahy tompon’andraikitra mihitsy aza izy. Nataony izay hahatonga ahy tsy hatoky an’ireo anadahy sy hiala amin’ny finoako, ary ho lasa mpitsikilon’ny polisy miafina. Tsy nahomby mihitsy anefa izy.”

“Tsy hoe ratsy daholo anefa ny zavatra niainako. Te hahafantatra, ohatra, ilay ramose mpampianatra tantara anay, izay anisan’ny antoko kominista, hoe nahoana aho no nalaina am-bavany matetika. Nofoanany mihitsy, indray andro, ny fianarana tantara, ary teo anatrehan’ny iray kilasy izy no nametra-panontaniana momba ny finoako, nandritra ny adiny roa. Talanjona tamin’ny valin-teniko izy, ka nihevitra fa tsy tokony ho nentina tamin-karatsiam-panahy toy izany aho. Nanomboka nanaja ny fomba fijerintsika izy, taorian’iny resaka iny. Nandray boky sy gazety mihitsy aza izy.”

“Nanohitra ahy foana anefa ny tompon’andraikitra tao an-tsekoly. Nataon-dry zareo aza izay tsy hianarako intsony, tamin’ny faran’ny kilasy fahafolo. Nahita asa avy hatrany anefa aho, ary tsy nanenenako mihitsy ny tsy nivadika tamin’i Jehovah. Misaotra azy tokoa aho fa notezain’ny ray aman-dreny kristianina, izay tsy nivadika mihitsy na dia nampijalin’ny fitondrana kominista aza. Tsaroako foana ny ohatra nomen’izy ireo.”

Niharam-pitsapana ny tovolahy

Niezaka nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy miafina, ka ireo rahalahy tanora tsy nety nanao miaramila no tena nataony lasibatra. Nosamborina izy ireo, ary nogadraina. Nafahana avy eo, nefa nosamborina indray, ary nalefa tany am-ponja. Natao mihitsy izay hahakivy azy ireo. Iray tamin’ireny rahalahy ireny i József Szabó, izay nosazina efa-taona raha vao avy natao batisa.

Nafahana izy tamin’ny 1976, roa taona taorian’ny nigadrany. Nihaona tamin’ilay ho vadiny izy, taoriana kelin’izay. Hoy izy: “Nifamofo izahay, ary nametra ny datin’ny mariazinay. Nampanantsoin’ny Fitsarana Miaramilan’i Cluj indray aho, tatỳ aoriana. Ilay andron’ny mariazy mihitsy no tsy maintsy nijoroako teo anoloan’izy ireo! Nataonay ihany anefa ny raharahanay. Niseho teo amin’ilay fitsarana aho avy eo. Mbola tsy mpivady iray andro akory izahay, dia efa nosazin’ilay fitsarana higadra telo taona fanampiny aho. Tena nahavaky fo ilay fisarahana.”

Hoy ny Vavolombelona tanora iray hafa atao hoe Timotei Lazăr: “Nivoaka ny fonja izaho sy ilay zandriko lahy tamin’ny 1977. Tonga tao an-trano ny zokinay lahy nafahana herintaona talohan’izay, mba hiara-mankalaza izany taminay. Hay efa nandrasan’ny polisy miafina izy, ka noraisim-potsiny. Efa noterena hisaraka nandritra ny roa taona sy fito volana ary 15 andro izahay. Izao anefa dia nalaina teo aminay indray ny rahalahinay, ary nogadraina noho izy tsy nety nanao miaramila. Nalahelo mafy izaho sy ilay zandriko lahy.”

Mankalaza Fahatsiarovana

Vao mainka ataon’ny mpanohitra haza lambo ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa Fahatsiarovana. Nanao sava hao ry zareo, nampandoa lamandy, ary nisambotra. Malina ireo rahalahy ka vitsivitsy ihany no niara-nivory mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy. Indraindray aza mpianakavy vitsivitsy fotsiny.

Nitantara i Teodor Pamfilie hoe: “Niara-nisotrosotro tamin’ny namany ny lehiben’ny polisy teo an-toerana, indray takarivan’ny Fahatsiarovana. Niangavy olona iray nanana fiara izy hitondra azy, rehefa niala teo mba hanao sava hao ny tranon’ireo rahalahy. Saika tsy velona anefa ilay fiara. Nankany an-tranonay ry zareo. Nisy vitsivitsy taminay nankalaza ny Fahatsiarovana tao. Nosaronanay tanteraka anefa ny varavarankely rehetra, ka tsy nahita afa-tsy haizina izy ireo. Noheveriny fa tsy nisy olona tao, ka lasa nankany amin’ny trano hafa izy ireo. Efa vita anefa ny fankalazana ny Fahatsiarovana tany, ary efa lasa nody ny rehetra.”

“Nifarana koa ny anay nandritra izay, ary lasa haingana ireo rahalahy. Izaho sy ny zokiko lahy sisa no tao, rehefa nisy polisy roa nipoitra tampoka ary nijoro teo afovoan-trano. Nitrerona izy ireo hoe: ‘Fa misy inona ato?’ ”

“ ‘Tsy misy na inona na inona’, hoy aho. ‘Miresadresaka eto izaho sy ny rahalahiko.’ ”

“ ‘Fantatray fa nisy fivoriana tato’, hoy ny iray tamin’izy ireo. ‘Aiza ny olon-kafa?’ Nijery ny rahalahiko izy, ary nilaza hoe: ‘Ary inona moa no ataonao ato?’ ”

“ ‘Tonga hamangy azy aho’, hoy izy, sady notondroiny aho. Sorena ireo polisy ka lasa nirintona. Renay ny ampitson’iny fa tsy nahasambotra na dia olona iray aza ny polisy, na dia teo aza ny zotom-pony!”

Nitalaho tamin’ny manam-pahefana romanianina ny Foibe

Henjana ny fomba nitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanoratra taratasy efatra pejy ho an’ny ambasadaoron’i Romania any Etazonia ny foibe, tamin’ny Martsa 1970. Taratasy enina pejy kosa no nalefa ho an’i Nicolae Ceauşescu, prezidàn’i Romania, tamin’ny Jona 1971. Hoy ireo rahalahy tao amin’ilay taratasiny ho an’ny ambasadaoro: “Tia sy miahy an’ireo rahalahinay any Romania izahay, ka voatosika hanoratra aminao.” Nilaza ny anaran’ireo olona fito nogadraina noho ny finoany ilay taratasy. Hoy ilay izy avy eo: “Nisy nilaza fa nogadraina sy nentina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana ny sasany tamin’ireo voalaza etsy ambony ireo. ... Tsy mpanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao politika na manongam-panjakana izy ireo, eran-tany. Ny fanompoana an’Andriamanitra ihany no ataony.” Niangavy ny fitondram-panjakana ilay taratasy teo am-pamaranana mba “hanome fanamaivanana ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah nijaly.”

Nilaza ilay taratasy ho an’ny Prezidà Ceauşescu fa “miaro ny fahalalahana ara-pivavahana ny lalàm-panorenan’i Romania. Tsy manana izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah any.” Mety ho voasambotra sy hoentina amin-kalozana kosa izy ireo, rehefa miresaka ny finoany sy mivory mba hianatra ny Baiboly. Nampahatsiahivin’ilay taratasy koa ilay famotsoran-keloka vao haingana nahazoan’ny rahalahy maro fahafahana. “Nantenaina koa fa hanomboka ny vanim-potoana vaovao ho an’ny ... Vavolombelon’i Jehovah. Mampalahelo anefa fa tsy izany no izy. Mbola andrenesana izao vaovao mampalahelo izao eran’i Romania: Enjehin’ny fitondrana foana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nosavana ny tranony. Nalaina ny zavatra vita pirinty. Nosamborina sy nalaina am-bavany, na lahy na vavy. Nosazina higadra taona maro ny sasany, ary ny sasany nampiharana herisetra be. Noho izy ireo namaky sy nitory ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra no anton’izany. Anisan’ny manamatroka ny laza tsaran’ny firenena iray izany, ary tena manahy momba izay manjo ny Vavolombelon’i Jehovah any Romania izahay.”

Nampiarahina tamin’ilay taratasy ireto boky roa ireto: Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, amin’ny teny romanianina sy Fiainana Mandrakizay ho Amin’ny Fahafahan’ireo Zanak’Andriamanitra, amin’ny teny alemà.

Nanomboka nihatsara kely ny toe-javatra nisy ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ny 1975, rehefa nanao sonia tamin’ny Dinan’i Helsinki Momba ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa atỳ Eoropa i Romania. Nanome toky izy io fa hohajaina ny zon’olombelona sy ny fahafahany, anisan’izany ny ara-pivavahana. Ireo nanda tsy hanao miaramila ihany taorian’izay no nosamborina sy nogadraina.

Nisy lalàm-panorenana vaovao tamin’ny 1986. Voalaza tsara tao fa tsy nisy na manam-pahefana aza, nahazo niditra tao an-tranon’olona, raha tsy nahazo alalana tamin’ny tompon-trano, afa-tsy tamin’ny toe-javatra sasany neken’ny lalàna ihany. Ela ny ela ka tsy dia nampatahotra toy ny teo aloha, ny nandamina Fahatsiarovana na fivoriana hafa tany an-tranon’olona.

Fanontam-pirinty niafina

Tamin’ny alalan’ny zavatra vita pirinty, stencils, na endriny hafa no nampidirana an-tsokosoko ny sakafo ara-panahy teto Romania. Teto kosa no natao ny famokarana. Efa voadika ho amin’ny teny romanianina sy hongroà izy ireny indraindray. Mazàna anefa izy ireny no tsy maintsy nadika avy tamin’ny teny anglisy, frantsay, alemà, na italianina. Maro samihafa ny iraka nampiasaina, toy ny mpizaha tany vahiny, mpianatra, ary Romanianina avy nanao dia.

Nanao izay ho afany ny polisy miafina mba hisamborana ny iraka sy hahitana ny toerana namokarana ireo boky sy gazety. Mailo ireo rahalahy ka niasa tao amin’ny tranon’olona samihafa, tany amin’ny tanàna maromaro. Trano tsy mamoaka feo sy nasiana efitra miafina no nametrahan’izy ireo ny fitaovany. Tao ambadiky ny toeram-pamindroana no nanafenana ny efitra sasany. Miraikitra amin’ny rindrina mazàna io toerana io. Namboarin’ireo rahalahy anefa ilay izy mba ho azo afindra, sy hahazoana miditra amin’ny varavarana miafina.

Niasa tao amin’ny fanontam-pirinty niafina tao Tîrgu Mureş i Sándor Parajdi, ary namoaka ny teny hodinihina isan’andro, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Ny Tilikambo Fiambenana, ary Mifohaza! Hoy i Sándor: “Niasa nandritra ny 40 ora teo ho eo izahay, isaky ny faran’ny herinandro, ka nifandimby natory adiny iray. Namonto ny akanjonay sy ny hoditray ny fofon’ireo zavatra simika. Hoy ny zanako lahikely telo taona, indray mandeha, rehefa nody tao an-trano aho: ‘Dada a, hoatran’ny fofon’ny teny vakina ny fofon’i Dada!’ ”

Nanao dika mitovy sy nitatitra ireo boky aman-gazety tao amin’ny faritr’i Cluj, i Traian Chira, raim-pianakaviana. Nomena milina fanaovana dika mitovy nahodin-tanana izy. Tranainy be ilay izy, ary Fitotoam-bary no natao anarany. Tsy dia tsara loatra ny zava-bitan’izy io. Nisy rahalahy mpanamboatra fiara àry nasain’i Traian nanamboatra tanteraka azy io. Nodinihiny tsara ilay fitaovana. Hita taratra tamin’ny endriny anefa fa tsy azo namboarina intsony ilay Fitotoam-bary. Nitsiky izy avy eo, ary niteny hoe: “Afaka manamboatra vaovao aho!” Nihoatra noho izany aza no nataony. Nanangana trano fiasana tao anaty lakalin’ny tranon’ny anabavy iray izy, ary nanorina ny fitaovany manokana. Tsy iray fotsiny anefa ny milina fanaovana dika mitovy namboariny, fa folo mahery! Nalefa tany amin’ny faritra maro ireo Fitotoam-bary vaovao, ary tsara ny zava-bitany.

Rahalahy maromaro no nampianarina hampiasa milina maoderina kokoa, tany amin’ireo taona 1980. I Nicolae Bentaru no nampiofanina voalohany, ary izy indray avy eo no nampianatra ny hafa. Matetika no raharaham-pianakaviana ny famokarana boky aman-gazety, toy izay nitranga tao amin-dry Bentaru. Samy manana ny asany ny mpianakavy tsirairay. Mazava ho azy fa sarotra ny manafina ireny asa ireny, indrindra rehefa mitsikilo ny polisy miafina ka manao sava hao. Mila atao haingana àry ny asa, ka niasa nandritra ny ora maro ireo rahalahy tamin’ny faran’ny herinandro mba hamokarana sy hitaterana ireo boky aman-gazety. Atao amin’ny faran’ny herinandro ilay izy, satria manao ny asa fivelomany izy ireo, mandritra ny herinandro.

Tsy maintsy malina koa ireo rahalahy rehefa mividy taratasy. Na fonosana iray nisy taratasy 500 aza mantsy no nilain’ny mpividy, dia tsy maintsy nanazava ny antony nividianany izany izy. Na teo aza izany, dia taratasy 40 000 teo ho eo isam-bolana no nampiasain’ireo fanontam-pirinty! Nila nitandrina àry ireo rahalahy rehefa nifampiraharaha tamin’ny mpivarotra. Fahita koa ny fisavana teny amoron-dalana, ka tsy maintsy mailo ireo rahalahy rehefa nitatitra fitaovana.

Sarotra ny nandika teny

Rahalahy sy anabavy vitsivitsy nanerana an’i Romania no nandika ireo boky aman-gazety ho amin’ny fitenin’ny mponina, anisan’izany ny ukrainien fampiasan’ny foko vitsy an’isa tany avaratra. Mpampianatra fiteny ny sasany amin’ireo mpandika teny talohan’ny nanekeny ny fahamarinana. Ny hafa kosa nianatra fiteny vahiny.

Nanao sora-tanana ny asany ny mpandika teny, tamin’ny voalohany. Nentin’izy ireo tany Bistriţa any avaratra ilay izy avy eo, mba hanitsiana ny tsipelin-teny. Nihaona indray mandeha na indroa isan-taona ireo mpandika teny sy mpitsara tsipelin-teny, mba handamina olana momba ny asany. Matetika ireny rahalahy sy anabavy ireny no natao haza lambo rehefa nisy nahamarika. Nalaina am-bavany sy nokapohina ary nogadraina izy ireo. Nafahana ireo voasambotra rehefa afaka ora vitsivitsy na andro maromaro. Nosamborina indray anefa izy ireo. Naverina imbetsaka izany rehetra izany mba hampitahorana azy ireo. Ny hafa nambenana tany an-trano na tsy maintsy niseho isan’andro tany amin’ny polisy. Maro no nigadra, anisan’izany i Dumitru sy Doina Cepănaru ary Petre Ranca.

Mpampianatra tantara sy teny romanianina i Dumitru Cepănaru. Dokotera kosa i Doina vadiny. Nosamborin’ny polisy miafina izy ireo rehefa tratrany. Fonja samy hafa no nanagadrana azy ireo nandritra ny fito taona sy tapany. Natoka-monina foana aza i Doina, nandritra ny dimy taona tamin’ireo. Tao amin’ilay taratasin’ny foibe ho an’ny ambasadaoron’i Romania any Etazonia koa raha ny marina, ny anaran’izy mivady. Nanoratra taratasy 500 ho an’ny vadiny sy ireo anabavy voafonja i Doina rehefa natokan-toerana, mba hampaherezana azy ireo.

Nosamborina koa i Sabina Cepănaru renin’i Dumitru, herintaona taorian’ny nisamborana azy mivady. Nigadra enin-taona latsaka roa volana izy. Vavolombelon’i Jehovah koa ny vadiny, ary izy io no hany tsy voasambotra tamin’ilay fianakaviana. Nanara-maso azy akaiky anefa ny polisy miafina. Notsidihiny tsy tapaka izy telo mianaka ireo, na dia nety ho nampidi-doza azy aza izany.

Voatendry ho mpitan-tsoratry ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Romania i Petre Ranca, tamin’ny 1938. Anisan’ireo tena nokarohin’ny polisy miafina izy, noho io andraikiny io sy ny asa fandikan-teny nataony. Tratra izy tamin’ny 1948, ka voasambotra matetika. Nampijalina niaraka tamin’i Martin Magyarosi sy Pamfil Albu izy, tamin’ny 1950. Nampangaina ho anisan’ny mpitsikilon’ny Anglisy sy Amerikanina i Petre, ka nigadra 17 taona tany amin’ireo fonja sasany anisan’ny nampijaly indrindra eto Romania. Anisan’izany ny an’i Aiud, Gherla, ary Jilava. Teo koa ilay trano tany amin’ny faritr’i Galaţi, izay nanagadrana azy nandritra ny telo taona. Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo anefa io rahalahy mahatoky io hatramin’ny faran’ny fiainany teto an-tany, tamin’ny 11 Aogositra 1991.

Ahatsiarovana an’ireto teny ireto ny asa feno fitiavan’ireny olona tsy nivadika ireny: “Andriamanitra mantsy tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.”—Heb. 6:10.

Fivoriambe an-kalamanjana

Maro kokoa ny rahalahy niara-nivory, nanomboka tamin’ireo taona 1980, ary nahatratra an’arivony aza. Afaka nanao izany izy ireo rehefa nisy fampakaram-bady na fandevenana. Nanangana tranolay teo amin’ny toerana tsara iray, ohatra, izy ireo tany ambanivohitra, tamin’ny fampakaram-bady. Nisy sary sy soratra avy ao amin’ny Baiboly voatenona teo amin’ireo karipetra tsara tarehy nandravahany ny tao anatiny. Nasiana latabatra sy seza ho an’ireo “olona nasaina” maro be tao, ary nisy sary famantarana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana niaraka tamin’ny andinin-teny ho an’ny taona, nahantona teo andamosin’ny lampihazo. Nitondra sakafo araka izay nananany ny mpitory teo an-toerana. Afaka nankafy sakafo ara-nofo sy ara-panahy àry ny rehetra.

Nanomboka tamin’ny lahatenim-panambadiana na fandevenana ny fandaharana, ary notohizana tamin’ny lahateny momba ny foto-kevitra ara-baiboly samihafa. Tsy tonga ara-potoana ny mpandahateny indraindray, ka vonona hisolo toerana foana ny rahalahy nahafeno fepetra. Baiboly fotsiny mazàna no nampiasaina, satria tsy nanana drafitry ny lahateny ireo rahalahy.

Mirohotra mankany ambanivohitra ny mponina an-tanàn-dehibe amin’ny vanin-taona mafana, mba hiala sasatra. Nanao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy nanararaotra ilay fotoana mba hanaovana fivoriambe tany amin’ireo havoana sy ala. Nanao fitafiana tamin’ny andron’ny Baiboly mihitsy aza izy ireo, rehefa nanao fampisehoana tantara.

Toeram-pialan-tsasatra be mpitia koa ny Ranomasina Mainty, sady tena tsara handrobohana an’ireo vaovao. Nody nilalao ireo rahalahy rehefa nanao izany, mba tsy hisarihana ny sain’ny olona. Nisy mpitory vita batisa nanao faribolana tao anaty rano, ary nifanipy baolina niaraka tamin’ireo hatao batisa. Naroboka mangingina izy ireo, rehefa avy nanao lahateny teo afovoany ny mpandahateny.

Efitrano ho an’ny “mpiompy tantely”

Nahita fomba hafakely ahazoana alalana manorina Efitrano Fanjakana ireo rahalahy tany Negreşti-Oaş, any avaratrandrefan’i Romania, tamin’ny 1980. Nampirisihan’ny fanjakana ny fiompiana tantely, tamin’izany fotoana izany. Nahita hevitra àry ny rahalahy maromaro nanana tranon-tantely. Nanangana fikambanan’ny mpiompy tantely izy ireo, mba hananana antony marim-pototra hanorenana trano hivoriana.

Niresaka tamin’ny anti-panahy teo anivon’ny faritra nisy azy ireo rahalahy, nisoratra anarana tao amin’ny Fikambanan’ny Mpiompy Tantely eto Romania, ary nankany amin’ny lapan’ny tanàna mba hilaza ny fikasany hanorina toeram-pivoriana. Avy hatrany dia neken’ny manam-pahefana ny hanorenana trano hazo mirefy 34 metatra ny lavany ary 14 metatra ny sakany. Tsy omby tratra ny hafalian’ireo mpiompy! Maro no nanampy azy ireo, ka vitany tao anatin’ny telo volana ilay tetikasa. Nahazo fisaorana manokana avy tamin’ny manam-pahefana mihitsy aza izy ireo!

Maro no hanatrika ilay fitokanana sady haharitra ora maro ny fandaharana, ka nangataka ny hampiasana ilay trano fanaovana fety amin’ny fijinjana ireo rahalahy. Nekena ny fangatahan’izy ireo, ary Vavolombelona 3 000 mahery no tonga avy tany amin’ny faritra samihafa. Gaga ny manam-pahefana nahita fa maro be no nanampy ireo mpiompy tantely sy tonga tamin’ilay “fankalazana.”

Tena nanatanjaka finoana ilay fankalazana. Ny fiompiana tantely no antony ara-dalàna nanorenana ilay trano, ka voaresaka matetika tao ny tantely, saingy an’ohatra. Nasongadin’ny mpandahateny, ohatra, fa nazoto niasa, nahay nandamin-javatra, nahay ny lalany, ary nanana herim-po sy fahafoizan-tena ny tantely rehefa niaro ny tranony. Nanasongadina toetra tsara hafa koa izy ireo.

Efitranon’ny Tantely no niantsoana ilay trano vao notokanana. Nampiasain’ireo rahalahy nandritra ny fandrarana sy nandritra ny telo taona taorian’izany izy io.

Nampiray saina ireo mpiandraikitra mpitety sampana

Efa am-polony taona ny Kominista no nanao izay hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hifampiahiahy sy hisara-bazana. Nataon’izy ireo koa izay hisakanana ny fifandraisana. Hitantsika teo aloha fa nahomby izy ireo tamin’ny lafiny sasany. Mbola nitohy tamin’ireo taona 1980 aza ny fisaratsarahana. Anisan’ny namaha io olana io anefa ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety sampana sy ny fiovana teo amin’ny firehan-kevitra politika.

Nitsidika matetika an’i Romania i Gerrit Lösch, nanomboka teo an-tenatenan’ireo taona 1970. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Aotrisy izy tamin’izany, fa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izao. Indroa kosa i Theodore Jaracz sy Milton Henschel, solontenan’ny Filan-kevi-pitantanana, no tonga teto tamin’ny 1988. Nentin’izy ireo niaraka taminy ny Rahalahy Lösch sy Jon Brenca, mpandika teny. Mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia i Jon tamin’izany. An’arivony ireo rahalahy niala tamin’ny vahoakan’i Jehovah no tsy nisalasala nanatona ny valan’ondry, taorian’ireny fitsidihana nampahery ireny.

Nitombo koa ny fiovana ara-politika tany Eoropa tamin’io fotoana io, ka lasa tsy azo antoka ny fitondrana kominista. Voahozongozona hatrany amin’ny fotony ny ankamaroan’izy ireny, ary nianjera tamin’ny faran’ireo taona 1980. Halohalika ny ranombary ho an’i Romania, tamin’ny 1989, rehefa nikomy tamin’ny fitondrana kominista ny vahoaka. Niara-novonoina tamin’ny vadiny i Nicolae Ceauşescu, lehiben’antoko, tamin’ny 25 Desambra. Nijoro ny fitondrana vaovao iray, tamin’ny taona nanaraka.

Ela ny ela ka nahazo fahalalahana!

Tsy nanao politika toy ny hatramin’izay ihany ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia niova aza ny toe-draharaha politika teto Romania. Na izany aza, dia ireny fiovana ireny no nitondra ilay fahalalahana nonofinofisin’ny maro tamin’ireo Vavolombelona 17 000 teto Romania. Nanoratra ny Komitin’ny Tany teto Romania hoe: “Taorian’izay 42 taona izay, dia faly izahay mandefa tatitra mahafaly momba ny asa fitoriana eto Romania. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana izahay, fa nihaino ny vavak’ireo rahalahy an-tapitrisany izy, ka namarana ilay fanenjehana tsy nifaditrovana.”

Nekena ho ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 9 Aprily 1990. Avy hatrany ireo rahalahy dia nandamina fivoriamben’ny faritra eran’i Romania. Maherin’ny 44 000 no nanatrika, izany hoe avo roa heny mahery noho ny isan’ny mpitory, izay nisy 19 000 teo ho eo. Nasehon’ny tatitra momba ny fanompoana tokoa fa nahazo fitomboana 15 isan-jato ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny Septambra 1989 ka hatramin’ny Septambra 1990!

Ny sampan’i Aotrisy tamin’izany fotoana izany no niandraikitra ny asa, ary nisy Komitin’ny Tany niara-niasa taminy. Nisy biraon’ny sampana indray anefa teto Romania nanomboka tamin’ny 1995, rehefa avy nikatona nandritra ny 66 taona.

Nampiana hiatrika fahasahiranana

Nikororosy ny toe-karen’i Romania tamin’ireo taona 1980. Nihavitsy koa ireo zavatra tena nilaina. Sahirana mafy ny olona, satria niara-rendrika tamin’ny fitondrana kominista ny toe-karena. Nandefa sakafo sy fitafiana ho an’ny rahalahiny teto Romania àry ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aotrisy, Hongria, ary Tsekoslovakia sy Iogoslavia teo aloha. Nahatratra 70 taonina mahery izany. Nisy ampahany tamin’ireo mihitsy aza nozaraina tamin’ny mpiara-monina tsy Vavolombelona. Nilaza ny tatitra iray fa “nanararaotra nitory ireo rahalahy isaky ny nizara fanampiana.”

Sady nisy fanampiana ho an’ireo rahalahy tao amin’ireo kamiao, no nisy sakafo ara-panahy koa. Maro no latsa-dranomaso noho ireo zavatra be dia be ireo, satria efa nahazatra azy ireo ny hoe Tilikambo Fiambenana iray monja no nananan’ny antokon’olona iray manontolo. Miara-mivoaka amin’ny teny anglisy koa Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny romanianina, nanomboka tamin’ilay gazety 1 Janoary 1991, ary miloko avokoa ny sary ao anatiny! Nitombo be àry ny gazety voapetraka teny amin’ny faritany.

Tsy olona vitsivitsy intsony izao no miara-mivory

Tsy azon’ireo rahalahy natao tamin’ny fomba nahazatra ny fivoriana sasany, toy ny Sekolin’ny Fanompoana, nandritra ny fotoan’ny fanenjehana. Nozaraina ho antokon’olona kosa izy ireo, ary ireny no namaky sy niara-nidinika ilay fanazavana. Vitsivitsy na iray monja tamin’ilay boky nodinihina mazàna no nananan’ilay antokon’olona.

“Tamin’ny 1992 no natao tamin’ny teny romanianina ilay Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika”, hoy i Jon Brenca, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Romania ankehitriny. “Natao pirinty teto an-toerana ilay boky, talohan’izay, ary vitsivitsy ireo rahalahy nanana azy. Nanomboka nampiofana ireo anti-panahy momba ny fitarihana ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny fanomezana torohevitra izahay, tamin’ny 1991. Nomena avy eny ambony lampihazo ny torohevitra tamin’izany. Nisalasala ny hanao izany anefa ny rahalahy sasany, satria, hono, ‘ho tezitra ireo rahalahy raha homena torohevitra eo imason’olona.’ ”

Nisy koa ny hevitra tsy nifankahazo. Nitsidika fiangonana iray, ohatra, ny rahalahy nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tamin’ny 1993. Nisy anti-panahy nanatona azy ary nampiseho ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Voalaza tao fa afaka manana sekoly faharoa ny fiangonana lehibe. Noheverin’ilay anti-panahy fa natao ho an’ny mpianatra efa mandroso kokoa izy io, ka hoy izy: “Mba tiako ho fantatra hoe rahoviana izahay no hanomboka an’io sekoly io? Misy rahalahy mahafeno fepetra afaka mandroso bebe kokoa mantsy eto.” Nohazavain’ilay mpitsidika tamin-katsaram-panahy ilay izy.

“Tena nampianatra an’ireo rahalahy ny fivoriamben’ny faritra” hoy ny Rahalahy Brenca, “satria nisy Sekolin’ny Fanompoana modely, izay notarihin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Elaela anefa vao tena zatra ny rehetra.”

Tamin’ny 1993 no nanomboka ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana teto Romania, ary nanampy mpisava lalana an’arivony mba hanatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy hahita vokatra tsara kokoa rehefa mitory. Tsy mora ny asan’ny mpisava lalana eto Romania. Tena sarotra mantsy ny mahazo asa tapa-potoana. Rahalahy sy anabavy maherin’ny 3 500 anefa no nanao ny asan’ny mpisava lalana, tamin’ny 2004.

Fanampiana ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany

Avy tany amin’ny sampan’i Italia ny Rahalahy Roberto Franceschetti sy Andrea Fabbi no notendrena ho eto Romania, tamin’ny 1990. Tonga hanampy tamin’ny fandaminana indray ny asa izy ireo. Hoy ny Rahalahy Franceschetti: “Efa 57 taona aho tamin’izany. Tsy mora ho ahy sy Imelda vadiko ilay fanendrena vaovao, satria sarotra ny fiainana teto Romania tamin’izany fotoana izany.”

“Nahatratra 12 degre ambanin’ny zero ny mari-pana rehefa tonga teto Bucarest izahay, ny 7 Desambra 1990, tamin’ny fito ora hariva. Rakotra lanezy ilay tanàna. Nihaona tamin’ny rahalahy sasany izahay tao afovoan-tanàna, ary nanontany momba ny toerana hatoriana amin’ny alina. ‘Mbola tsy fantatray’, hoy izy ireo. Nahare ny resakay anefa ny tovovavy iray, ka avy hatrany dia nanasa anay ho any an-tranony. Vavolombelon’i Jehovah ny reniny sy ny renibeny. Nijanona tao nandritra ny herinandro vitsivitsy izahay mandra-pahitanay fonenana mety tsara tao an-tanàna. Naneho fitiavana sy nampahery koa ireo rahalahy teo an-toerana, ka nanampy anay ho zatra ny tany nanendrena anay.”

Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-43 amin’ny sekolin’i Gileada ry Roberto mivady, tamin’ny 1967. Efa am-polony taona no nanompoany an’i Jehovah. Nandray soa be dia be avy tamin’ny traikefa nananany àry ireo rahalahy, nandritra ireo sivy taona latsaka kely nipetrahany teto. Hoy i Roberto: “Nandamina fivoriana niaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany 42 ny Komitin’ny Tany, tamin’ny Janoary 1991.” Niandraikitra faritra kely nisy fiangonana enina na fito avy ny ankamaroan’izy ireo. Nandeha irery izy ireo mazàna, fa tsy niaraka tamin’ny vadiny, rehefa nitsidika ny fiangonana tsirairay tao anatin’ny faran’ny herinandro roa nisesy. Tsy maintsy niasa ny mpiandraikitra ny faritra tamin’izany, mba hamelomana ny fianakaviany sy tsy hampiahiahy ny manam-pahefana. Ho afaka hanaraka fandaharam-potoana mitovy amin’ny an’ireo namany any an-tany hafa anefa izao ireny rahalahy ireny, ka hitsidika fiangonana ny talata ka hatramin’ny alahady.”

“Nohazavaiko tamin’ireo rahalahy 42 ilay fandaharana, ary hoy aho tamin’izy ireo: ‘Atsangano ny tanan’izay vonona hanohy ny asa fitetezam-paritany.’ Tsy nisy nanangana na iray aza! Nafoy tao anatin’ny minitra vitsy monja ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra! Niova hevitra ihany anefa ny sasany rehefa avy nandinika tsara kokoa an’ilay izy. Tonga avy tany Alemaina, Aotrisy, Etazonia, Frantsa, ary Italia anefa ny fanampiana, tamin’ny alalan’ireo rahalahy nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.”

Niasa folo taona tao amin’ny Betelan’i Brooklyn i Jon Brenca, izay manana fiaviana romanianina, talohan’ny namindrana azy ho eto. Mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra izy tamin’ny voalohany. Hoy izy: “Mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho tamin’ny Jona 1991, ary nanomboka niara-niasa tamin’ireo mpiandraikitra ny faritra. Vonona ny hanaraka ilay fandaharana vaovao izy ireo, ary hanompo manontolo andro. Tsy ela anefa dia hitako fa tsy izy ireo ihany no nila nanova ny toe-tsainy, fa ny fiangonana koa. ‘Tsy ho vitan’ny mpitory mihitsy ny hanompo isan’andro eny amin’ny saha’, hoy ny anti-panahy sasany. Niara-niasa anefa ny rehetra, ka nanao ilay fiovana.”

Tena nampianatra an’ireo rahalahy koa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana sy Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Nitomany ny anti-panahy iray, rehefa nanatona ny iray tamin’ireo mpampianatra, nandritra Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Baia Mare. Hoy izy: “Anti-panahy hatramin’ny taona maro aho, fa izao vao tena takatro ny fomba tokony hanaovana ny fitsidihan’ny mpiandry. Misaotra ny Filan-kevi-pitantanana aho noho izany fanazavana izany.”

Efa nandre momba ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ireo rahalahy. Toa nofinofy fotsiny anefa ny hisian’izy io tao amin’ny taniny. Eritrereto ange ny fientanam-pon’izy ireo rehefa tanteraka ny nofinofiny, ka natao tamin’ny 1999 ny kilasy voalohany e! Nanomboka tamin’izay, dia kilasy valo hafa no efa natao. Nanatrika tamin’ireny ny rahalahy miteny romanianina avy any Moldavia sy Ukraine.

“Nahita ny fahamarinana aho!”

Olona maro ankehitriny no itoriana tsy tapaka. Olona fito tapitrisa eo ho eo na ny ampahatelon’ny mponina anefa no mipetraka any amin’ny faritany tsy misy tompony. Misy faritra vitsivitsy koa mbola tsy nandre ny vaovao tsara. Mbola be àry ny vokatra! (Matio 9:37) Namaly ny antso ny mpisava lalana maharitra sy manokana ary anti-panahy, ka nifindra tany amin’ireny faritany ireny. Maro kokoa àry ny antoko-mpitory sy fiangonana. Nisy ezaka manokana natao koa, ary nanasan’ny biraon’ny sampana ny fiangonana mba hitory any amin’ny faritany tsy misy tompony. Tena nahitam-bokatra toy ny tany an-tany hafa ireny ezaka ireny.

Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana ny vehivavy 83 taona mipetraka any amin’ny tanàna mitokana. Ny iray amin’ny zanany vavy no nanome ilay izy, rehefa nahita izany tao anaty dabam-pako teto Bucarest. Namaky ilay gazety ilay vehivavy be taona sady nijery ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboliny, izay nisy ny anaran’Andriamanitra. Hoy izy rehefa nihaona tamin’ilay zanany vavy: “Nahita ny fahamarinana aho, anaka!”

Niresaka tamin’ny pretra tao an-tanànany koa izy, ary nanontany azy hoe nahoana izy no tsy nilaza ny anaran’Andriamanitra tamin’ny olona. Tsy namaly ilay pretra fa nangatahiny hindramina fotsiny ilay Baiboly sy gazety mba hahafahany handinika azy ireo. Nanaja an’ilay pretra izy, ka nampindrana, nefa izay no farany nahitany ny Baiboliny sy ilay Tilikambo Fiambenana. Tonga nitory tao an-tanànany ny Vavolombelon’i Jehovah, tatỳ aoriana, ka nampandrosoiny. Nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny boky Fahalalana izy, ary tena nandroso tsara. Samy ao amin’ny fahamarinana izao, izy sy ireo zanany vavy.

Ela ny ela ka afaka nanatrika fivoriambe!

Faly be ny Vavolombelon’i Jehovah teto Romania tamin’ny 1990, rehefa nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Fiteny Madio.” Io no fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany natrehin’ny ankamaroan’izy ireo. I Brasov sy Cluj-Napoca no mpampiantrano. Tapa-bolana talohan’izay, dia solontena 2 000 mahery no nanatrika ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny teny romanianina tany Budapest, Hongria. Iray andro monja ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra teto Romania. Faly be anefa ireo rahalahy nandre ireo solontenan’ny Filan-kevi-pitantanana, dia i Milton Henschel sy Theodore Jaracz. Maherin’ny 36 000 no nanatrika, ary 1 445 na 8 isan-jaton’ny mpitory no natao batisa!

Nokasaina hatao teto Bucarest ny iray tamin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, tamin’ny 1996. Nanao izay ho afany anefa ny pretra ortodoksa mba hisakanana ilay fivoriambe. Nopetahany sy ireo mpanara-dia azy afisy eran’ny tanàna. Anisan’izany ny eglizy, trano, lalana, ary rindrina. Hoy ny soratra iray: “Na Ortodoksa na fahafatesana.” Hoy koa ny iray hafa: “Hasainay hofoanan’ny manam-pahefana io fivoriambe io. TONGAVA HIARO NY FINOAN’NY RAZANTSIKA. Hanampy antsika anie Andriamanitra!”

Niova hevitra indray àry ny manam-pahefana, ka tsy namela ny hanaovana ilay fivoriambe teto Bucarest. Afaka nanofa toerana tany Brasov sy Cluj-Napoca anefa ireo rahalahy mba hanaovana fivoriambe, ny 19 ka hatramin’ny 21 Jolay. Vitan’izy ireo koa ny nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra kely kokoa teto Bucarest sy tao Baia Mare, ho an’ireo tsy afa-nandeha tany an-toeran-kafa.

Tony sy afaka nandamin-javatra tao anatin’ny fotoana fohy ireo rahalahy, ka nahavariana ny mpanao gazety. Koa na teo aza ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana, dia nanao tatitra tsara momba ny zava-misy ny fampitam-baovao, tamin’ny andro nialoha ny fivoriambe. Nisy vokany tsara na dia ireo tatitra ratsy talohan’izay aza, satria nanasongadina ny anaran’i Jehovah. Hoy ny rahalahy iray avy eto Bucarest: “Lasa fanta-bahoaka kokoa noho ny tamin’ireo taona maro nitoriana izahay, tao anatin’ny roatokombolana. Vao mainka nampiely ny vaovao tsara ny zavatra noheverin’ny Eglizy Ortodoksa Romanianina hanakantsakanana ny asanay.” Olona 40 206 no nanatrika ilay fivoriambe, ary 1 679 no natao batisa.

Nientam-po erỳ ireo rahalahy tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra” tamin’ny 2000, nahazo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny romanianina. Hoy ny rahalahy tanora nankasitraka azy io: “Lasa nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho, rehefa nahazo ilay fandikan-teny ka namaky ny anarany tao. Tena misaotra an’i Jehovah sy ny fandaminany aho.”

Nahazo Efitrano Fivoriambe

Tsy nisy Efitrano Fanjakana voaorina nandritra ny fitondrana kominista, afa-tsy ny Efitranon’ny Tantely, voaresaka tetsy aloha. Be dia be àry ny Efitrano Fanjakana nila naorina, rehefa nofoanana ny fandrarana. Soa ihany anefa fa nisy ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana, ka afaka namita Efitrano Fanjakana iray isaky ny folo andro ireo rahalahy, tao anatin’ireo taona faramparany! Nanaraka mari-trano tsy be pitsiny sy nampiasa fitaovana mora azo izy ireo, ka nahavita trano tsotra nefa azo ampiasaina tsara. Nahafoy tena koa ireo rahalahy, ary nilamina tsara ny fanorenana, indrindra fa tamin’ireo trano naorina haingana. Fitoriana tsara tamin’ny mpiray tanàna sy mpandraharaha ary manam-pahefana izany, toy ny tany an-tany hafa ihany.

Nanatona ny manam-pahefana ireo rahalahy tany amin’ny faritr’i Mureş, mba hahazoana herinaratra ho an’ilay Efitrano Fanjakana teo an-dalam-panorenana. “Nahoana ianareo no maika be toy izao?”, hoy ny mpiasa iray. “Iray volana, fara fahakeliny, no ilaina mba hikarakarana ny fangatahanareo, ary tsy hahavita zavatra firy ianareo mandra-pahatongan’izany.” Nentin’ireo rahalahy tany amin’ny tale àry ilay raharaha.

Nanontany koa izy hoe: “Fa inona no mahamaika? Tsy vao nametraka fototra moa ianareo?”

“Eny”, hoy ireo rahalahy, “fa efa tamin’ny herinandro izany. Eo am-pametahana ny tafo izahay izao!” Azon’ilay tale ny tiana hambara, ka nivoaka ny ampitson’iny ihany ilay fahazoan-dalana.

Tao Negreşti-Oaş no nanorenana ny Efitrano Fivoriambe voalohany teto Romania. Misy seza 2 000 ao amin’ny efitra lehibe, ary 6 000 kosa eo amin’ilay faritra boribory tsy mitafo. Faly be ny Rahalahy Lösch, fa nasaina hanao ny lahateny fitokanana, izay nataony tamin’ny teny romanianina. Fiangonana 90 mahery avy tamin’ny faritra dimy no nanampy tamin’ny fanorenana. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tao amin’ilay efitrano, tamin’ny Jolay 2003, na dia mbola tsy notokanana aza izy io. Nisy 8 572 ny mpanatrika. Tsy mahagaga raha ilay Efitrano Fivoriambe no nataon’ny Ortodoksa teo an-toerana anton-dresaka. Tsy hoe ratsy daholo anefa ireny resaka ireny. Noderain’ny pretra sasany mihitsy aza ireo rahalahy noho ny fahafoizan-tenany.

Tsy hambinina ny fiadiana hamelezana ny mpanompon’Andriamanitra

Tsy tena takatr’i Károly Szabó sy József Kiss rehefa nody teto izy ireo tamin’ny 1911, fa vonona hitahy ilay asa natombok’izy ireo i Jehovah. Ohatra: Olona 18 500 teo ho eo no natao batisa teto Romania, tato anatin’ny folo taona, ka lasa 38 423 ny isan’ny mpitory. Olona 79 370 koa no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2005! Notokanana tamin’ny 1998 ny tranon’ny Betela, mba hiatrehana izany fitomboana izany. Nitarina indray izy io tamin’ny taona 2000. Nanorenana fitambaran-trano misy Efitrano Fanjakana telo koa teo amin’ilay toerana.

Nandritra ireny fanenjehana mivaivay ireny anefa no napetraka ny fototr’izany fitomboana miavaka izany. Mbola misy tsipiriany maro, saingy mampihoron-koditra loatra izy ireny, ka tsy hay soratana. I Jehovah no tena tokony hisaorana amin’ilay fitomboana, satria izy no niaro ny Vavolombelony nahatoky. (Sal. 91:1, 2) Nampanantena ny mpanompony mahatoky i Jehovah hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.”—Isaia 54:17.

Tapa-kevitra ny hanahaka ny finoan’ireo nampijalina noho ny fahamarinana ny Vavolombelon’i Jehovah eto Romania, mba hananany hatrany io “lova” sarobidy io. Izany koa mantsy no fomba hanajan’izy ireo sy hahatsiarovany azy ireny.—Isaia 43:10; Heb. 13:7.

[Efajoro, pejy 72]

Indray Mitopy Maso An’i Romania

Ilay tany: Mahatratra 238 000 kilaometatra toradroa ny velaran’i Romania. Somary boribory ilay tany, ary 720 kilaometatra eo ho eo ny halavany avy any atsinanana ka hatrany andrefana. Ireto ny firenena manodidina azy, manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro miainga avy any avaratra: Ukraine, Moldavia, Boligaria, Serbia sy Monténégro, ary Hongria.

Mponina: Misy mponina 22 tapitrisa ao Romania, ary ahitana vahiny sy teratany, toy ny Romanianina, Hongroà, Alemà, Jiosy, Ukrainiens, Tziganes, sy ny sisa. Ny telo ampahefatry ny mponina eo ho eo, fara fahakeliny, no Ortodoksa Romanianina.

Fiteny: Ny teny romanianina no fiteny ofisialy. Avy amin’ny teny latinina, fiteny nampiasain’ny Romanina fahiny, izy io.

Fivelomana: Efa ho ny antsasaky ny mpiasa no mivelona amin’ny fambolena, fitrandrahana ala, na jono. Ny ampahefany kosa no mivelona amin’ny taozavatra, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na fanorenana, ary ampahatelony eo ho eo no mivelona amin’ny fandraharahana.

Sakafo: Vokarina eto ny katsaka, ovy, betiravy fanaovana siramamy, varimbazaha, ary voaloboka. Ny ondry no tena ompiana eto. Eo koa anefa ny omby, kisoa, ary akoho amam-borona.

Toetany: Miovaova arakaraka ny faritra ny mari-pana sy ny rotsakorana. Antonony ny mari-pana amin’ny ankapobeny, ary misy fizaran-taona efatra miavaka tsara.

[Efajoro, pejy 74]

Faritra Samihafa eto Romania

Ambanivohitra no betsaka eto Romania. Mizara ho faritra maro izy io, ka anisan’izany i Maramureş, Moldova, Transylvanie, ary Dobroudja. Samy hafa sady manan-tantara ireny faritra ireny. I Maramureş, faritra avaratra, no hany tsy azon’ny Romanina. Tanàna mitokana any an-tendrombohitra any no onenan’ny mponina ao, ary mbola voatanan’izy ireo ny kolontsain’ny Daces razambeny. Any atsinanana no misy ny faritr’i Moldova, ary mampahalaza azy io ny famokarana divay, loharano misy mineraly, ary ireo monasitera efa hatramin’ny taonjato faha-15. Any Valachie, faritra atsimo, no ahitana an’i Bucarest, tanàna lehibe indrindra sady renivohitr’i Romania.

Ao amin’ny faritra afovoan’i Romania no misy an’i Transylvanie. Lembalemba izy io, ary voahodidin’ny Tendrombohitra Carpates. Be lapa sy tanàna ary zavatra sisa tavela tamin’ny Moyen Âge ao Transylvanie. Tao koa no niavian’ilay angano hoe Dracula, izay aseho ho toy ny olona mpitsentsitra ra. Printsy tamin’ny taonjato faha-15 no nalain-tahaka, rehefa noforonina ny tantaran’i Dracula. Tsy iza izany fa i Vlad Dracul, na Vlad Devoly. Teo koa i Vlad Tepes, fantatra tamin’ny anarana hoe Vlad Mpanantona Amin’ny Zava-maranitra, noho ny fomba namonoany ny fahavalony. Anisan’ny tsidihina ny toerana heverina fa nisy azy ireo, rehefa mankany amin’iny faritra iny.

Manamorona ny Ranomasina Mainty ny morontsirak’i Dobroudja, izay mirefy 250 kilaometatra eo ho eo. Ao amin’ny faritr’i Dobroudja no misy ny Vinanihefak’i Danube, toerana mahafinaritra ahitana sakelidrano sy heniheny. I Danube no renirano faharoa lava indrindra atỳ Eoropa. Mamaritra ny sisin-tany atsimon’i Romania izy io, sady manondraka ny ankamaroan’ilay tany. Mirefy 4 300 kilaometatra toradroa ilay vinanihefaka. Izy io no heniheny misy tahirin-javaboary midadasika indrindra atỳ Eoropa. Misy karazam-borona 300 ao, karazan-trondro 150, ary karazan-javamaniry 1 200, manomboka amin’ny voahirana ka hatramin’ny hazomalahelo.

[Efajoro, pejy 87]

Lasa Ortodoksa Romanianina ny Mpivavaka Tamin’i Zamolxis

Foko iray fiaviana atao hoe Gètes sy Daces, no nipetraka tao amin’ireo faritra misy an’i Romania ankehitriny, taonjato maro lasa izay. Angamba andriamanitry ny lanitra sy ny maty i Zamolxis, ilay nivavahan’izy ireo. Saika ny Romanianina rehetra anefa no mitonona ho Kristianina ankehitriny. Ahoana no nampiova azy ireo?

Natahoran’ny Romanina tokoa ny vondron’ny Gètes sy Daces, tamin’izy ireo nanitatra ny faritaniny tany amin’ny Saikinosin’ny Balkans. Efa nandresy ny miaramila romanina indroa mantsy i Décébale, mpanjakan’izy ireo. Nandresy anefa ny Romanina tany am-piandohan’ny taonjato faharoa, ary noraisiny ho faritaniny i Dacie (anaran’i Romania tamin’izany). Nandroso be ilay faritra tamin’izany, ka nahasarika mpanjana-tany romanina maro. Nifanambady tamin’ny Daces izy ireo, sady nampianatra azy ireny teny latinina. Ny taranak’izy ireo no razamben’ny Romanianina ankehitriny.

Ireo mpifindra monina, mpivarotra, ary mpandranto, no nitondra ny Kristianisma teto. Niroborobo ny Kristianisma Anarana tamin’ny taona 332, rehefa nanao fifanekem-pihavanana tamin’ny Goths, vondron’ireo foko alemà nipetraka tany avaratr’i Danube, ny Emperora Constantin.

Nisaraka tamin’ny Eglizy Romanina ny Eglizy Tatsinanana, tamin’ny taona 1054. Ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana indray no nanjaka teo amin’ilay faritra, ary izy io no niavian’ny Eglizy Ortodoksa Romanianina. Nisy mpivavaka 16 tapitrisa mahery tao amin’io fivavahana io, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Izy io no Eglizy Ortodoksa mahaleo tena be mpivavaka indrindra, any amin’ireo tany Balkans.

[Efajoro/Sary, pejy 98-100]

Nihira tao Anatin’ny Zera Baomba Izahay

Teodor Miron

Teraka: 1909

Batisa: 1943

Tantarany: Nianatra Baiboly tany am-ponja. Tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia sy toby fiasana an-terivozona ary fonja kominista, nandritra ny 14 taona.

Nandositra ny miaramila alemà, tamin’ny 1 Septambra 1944. Rahalahy 152 izahay no nesorina tao amin’ny toby fitanan’i Bor, Serbia, niaraka tamin’ny voafonja hafa, ary nentina nankany Alemaina. Tsy nanan-kohanina izahay indraindray. Nozarainay nitovy kosa izay sakafo hitanay, toy ny betiravy latsaka teny amoron’ny lalana akaiky saha. Nentin’ny rahalahy matanjaka tamin’ny borety izay tsy afa-namindra intsony.

Tonga tany amin’ny gara iray izahay, tamin’ny farany. Niala sasatra nandritra ny adiny efatra izahay, ary avy eo nanala ny entana tao anatin’ny vagao roa tsy nisy tafo, mba hidiranay. Tsy nisy seza tao fa tsy maintsy nitsangana. Tsy nisy akanjo mafana koa, fa bodofotsy iray isan’olona ihany. Io no nasaronay ny lohanay rehefa avy ny orana. Izany no nanjo anay teny an-dalana, nandritra ny alina manontolo. Tonga tao amin’ny tanàna iray izahay ny ampitso, tamin’ny folo ora maraina. Nanjera baomba teo amin’ny lohan’ilay lamasinina nitondra anay ny fiaramanidina roa. Tafajanona ilay lamasinina. Tsy nisy maty izahay, na dia nifanakaiky tamin’ilay lohamasinina aza ny vagaonay. Roso indray ny dia, na teo aza iny zava-nitranga iny, satria nasiana lohamasinina hafa teo amin’ilay vagao nitondra anay.

Nasaina nijanona nandritra ny adiny roa izahay teo amin’ny gara iray, tokony ho 100 kilaometatra avy teo. Nahita lehilahy sy vehivavy vitsivitsy nitondra harona feno ovy izahay tamin’izany. Noheverinay ho mpivarotra ovy izy ireo, hay mpiray finoana taminay. Nandre ny momba anay izy ireo, ary nihevitra fa tsy maintsy ho noana izahay. Samy nomen’izy ireo ovy vaventy telo efa masaka sy mofo ary sira kely izahay. Nanatanjaka anay nandritra ny roa andro iny ‘mana avy any an-danitra’ iny, mandra-pahatonganay tany Szombathely, Hongria, tamin’ny voalohandohan’ny Desambra.

Nijanona tany Szombathely izahay nandritra ny ririnina, ary katsaka voatototry ny lanezy no tena sakafonay. Voadaroka baomba io tanàna tsara tarehy io, tamin’ny Martsa sy Aprily 1945. Feno fatin’olona rotidrotiky ny baomba eran’ny lalana. Maro ny olona tototry ny fatin-javatra, ary renay niantso vonjy izy ireny indraindray. Nanana lapelina sy fitaovana hafa izahay, ka afaka namonjy ny sasany tamin’izy ireny.

Voadaroka baomba ireo tranobe teo akaikin’ilay nisy anay, fa ny anay kosa tsy voa. Natahotra ny olona raha vao naneno ny fanairana momba ny fanafihana ana habakabaka, ka nihazakazaka nitady fialofana. Nihazakazaka koa izahay tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa dia hitanay fa tsy hahitam-bokatra izany, satria tsy nisy fialofana azo antoka. Nijanona teo amin’izay nisy anay fotsiny izahay, ary niezaka ny ho tony. Nijanona niaraka taminay koa ny mpiambina, tsy ela taorian’izay. Nilaza izy ireo fa nety hiaro azy koa, hono, ny Andriamanitray! Nisesisesy tsy nisy toy izany ny zera baomba tao amin’ny tanànan’i Szombathely, ny alin’ny 1 Aprily, fotoana farany nijanonanay tao. Nijanona tao amin’ilay trano nisy anay ihany anefa izahay, nanao hira fiderana an’i Jehovah, ary nisaotra azy noho ny nanampiany anay ho tony.—Fil. 4:6, 7.

Nasaina nankany Alemaina izahay ny ampitson’io. Nanana voatiry roa izahay. Nitaingina voatiry sy nandeha an-tongotra tamin’ny lalana 100 kilaometatra teo ho eo àry izahay, mandra-pahatonganay tany amin’ny ala iray, 13 kilaometatra alohan’ny vava ady rosianina. Nijanona teo amin’ny tanin’ny mpanankarena iray izahay nandritra ny alina, ary nafahan’ny mpiambina anay ny ampitson’iny. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izahay, satria nanohana anay teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy izy. Nifanao veloma tamin-dranomaso izahay, rehefa nitodi-doha hody. Ny sasany nandeha an-tongotra, ny hafa kosa nandeha lamasinina.

[Efajoro, pejy 107]

Niharihary ny Fitiavana Kristianina

Nianjadian’ny mosary ny faritra atsinanan’i Romania, tamin’ny 1946. Tsy nijaly firy noho ny Ady Lehibe II ny faritra sasany teto. Nanampy ireo rahalahiny sahirana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireny faritra ireny, na dia nahantra aza, ka nanome sakafo sy fitafiana ary vola. Nividy sira tany am-piasany, ohatra, ireo Vavolombelona niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana sira iray tany Sighetu Marmatiei, akaikin’ny sisin-tanin’i Ukraine. Namidiny tany amin’ireo tanàna manodidina izany avy eo, ary nividianany katsaka ny tombom-barony. Nanome sakafo dimy taonina koa ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Soeda, Soisa, Etazonia, ary ny tany hafa.

[Efajoro/Sary, pejy 124, 125]

Nahatadidy Andinin-teny 1 600 Izahay

Dionisie Vârciu

Teraka: 1926

Batisa: 1948

Tantarany: Nigadra dimy taona mahery tany amin’ny fonja sy toby fiasana an-terivozona samihafa, nanomboka tamin’ny 1959. Maty tamin’ny 2002.

Navela hifandray tamin’ny fianakavianay izahay, rehefa nigadra. Nahazo nandefa fonosan’entana nilanja dimy kilao ho anay koa izy ireo, isam-bolana. Izay nahavita ny asany ihany no nahazo ny fonosan’entany. Nozarainay nitovy foana ny sakafo, izany hoe nozaraina ho 30 teo ho eo. Paoma roa indray mandeha, no nozarainay toy izany. Marina aloha fa kely ny anjaran’ny tsirairay, nefa nanamaivana ny hanoananay izany.

Nanana finoana natanjaka izahay, na dia tsy nanana Baiboly na boky fianarana Baiboly aza. Niezaka nitadidy ireo zavatra nianaranay talohan’ny nigadranay izahay, ary nilaza izany tamin’ny hafa. Izao no fandaharana nataonay: Nisy rahalahy nitadidy sy nanonona andinin-teny iray, isa-maraina. Naverimberinay tsimoramora ilay izy avy eo, sady nosaintsaininay, nandritra ireo 15 na 20 minitra tsy maintsy nandehanana an-tongotra. Mbola namakafaka ilay andinin-teny nandritra ny 30 minitra teo ho eo izahay, rehefa niverina tao amin’ilay efitra nisy anay. Niisa 20 izahay no nampidirina tao amina efitra iray mirefy 4 metatra ny lavany, ary 2 metatra ny sakany. Nahatadidy andinin-teny 1 600 izahay rehetra, tamin’ny fitambarany. Nandinika loha hevitra samihafa izahay ny antoandro, niampy ireo andinin-teny 20 ka hatramin’ny 30 nifandray taminy. Niezaka nitadidy izany izahay rehetra.

Nihevitra ny rahalahy iray fa tsy hahatadidy andinin-teny maro intsony izy, satria efa antitra loatra. Tsy araka ny noeritreretiny anefa, fa afaka nitadidy sy nanonona andinin-teny maro koa izy, rehefa nandre anay namerimberina azy ireny in-20 teo ho eo. Faly be izy!

Marina aloha fa noana ara-batana izahay sady osa, kanefa nanatanjaka sy namahana anay ara-panahy foana i Jehovah. Tsy maintsy niezaka ny hanana finoana matanjaka hatrany anefa izahay, na dia efa tafavoaka ny fonja aza. Nanenjika anay foana mantsy ny polisy miafina, sady nitady hampiala anay tamin’ny finoanay.

[Efajoro, pejy 132, 133]

Fanaovana Dika Mitovy

Sora-tanana no fomba tsotra sy nety indrindra mba hamoahana boky fianarana Baiboly, nandritra ireo taona 1950. Nampiasa karbônina koa ireo rahalahy matetika. Niadana sady nandreraka io fomba iray io nefa nahasoa, satria tadidin’ireo nandika azy ny ankamaroan’ny lahatsoratra. Afaka nanome fampaherezana be ho an’ny hafa àry izy ireo, rehefa nampidirina am-ponja. Nampiasa milina fanoratana koa ireo rahalahy. Tsy mora anefa ny nahazo azy ireny, sady tsy maintsy nosoratana tany amin’ny polisy.

Efa nisy ny milina fanaovana dika mitovy tamin’ny faramparan’ireo taona 1950. Izao no nataon’ireo rahalahy mba hahazoana stencil: Nafangarony ny lakaoly sy zelatinina ary savoka, ary avy eo nararany teo amin’ny faritra mahitsizoro malama, ka fitaratra no tsara. Nanamboatra ranomainty manokana indray izy ireo, mba hanaovana soratra mivohitra teo amin’ny taratasy iray. Rehefa maina ilay ranomainty, dia napetany teo amin’ilay faritra nisy savoka ilay taratasy, ary dia vita ilay stencil. Tsy nateza anefa ireny stencil ireny, ka voatery nanao vaovao foana ireo rahalahy. Miaro koa ny fampiasana stencil raha oharina amin’ny dika tanana, satria mety ho fantatra amin’ny sora-tanany ny olona nandika an’ilay lahatsoratra.

Namorona sy nampiasa fitaovana fanaovana dika mitovy nahodin-tanana ireo rahalahy nanomboka tamin’ireo taona 1970 ka hatramin’ireo taona faramparany nisian’ny fandrarana. Nisy folo mahery izy ireny, ary azo novimbinina. Nampanarahina modely avy any Aotrisy izy ireo, ary taratasy mifono plastika no nampiasaina ho takelaka fanaovana pirinty. Fitotoam-bary no natao anaran’io fitaovana io. Nahazo milina offset vitsivitsy fanaovana dika mitovy ireo rahalahy, nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1970. Tsy afaka nanamboatra takelaka fanaovana pirinty anefa izy ireo, ka nipetra-potsiny ireo milina ireo. Nanomboka tamin’ny 1985 anefa, dia nampianatra an’ireo rahalahy ny fomba fanaovana takelaka ny rahalahy iray, izay enjeniera momba ny simia avy any Tsekoslovakia. Nitombo be ny zavatra vita pirinty taorian’izay, ary niavaka ny hatsarany.

[Efajoro/Sary, pejy 136, 137]

Nampiofana Ahy i Jehovah

Nicolae Bentaru

Teraka: 1957

Batisa: 1976

Tantarany: Mpanao pirinty tamin’ny andron’ny Kominista, ary mpisava lalana manokana izy sy Veronica vadiny ankehitriny.

Nanomboka nianatra Baiboly aho tany Săcele, tamin’ny 1972. Natao batisa aho efa-taona taorian’izay, tamin’izaho 18 taona. Voarara ny asa tamin’izany, ary natao isaky ny fianarana boky ny fivoriana. Nitohy foana anefa ny fahazoanay sakafo ara-panahy, hatramin’ny fampisehoana tantara tamin’ny kasety nampiarahina tamin’ny sary maizina miloko aza.

Nandefa ilay fitaovana fandefasana sary maizina no asa nanendrena ahy voalohany, rehefa vita batisa aho. Nahazo tombontsoa fanampiny aho, roa taona tatỳ aoriana. Nanao pirinty an-tsokosoko izahay, ka izaho no nasaina nividy ny taratasy nilaina. Nianatra nanao pirinty aho tamin’ny 1980, ary nandray anjara tamin’ny famoahana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary boky hafa. Nampiasa milina fanaovana dika mitovy izahay, ary milina kely fanaovana pirinty ahodin-tanana.

Tamin’izay no nifankahitako tamin’i Veronica, anabavy mahafinaritra sy mahatoky, ary nivady izahay. Tena nanohana ahy tamin’ny asako i Veronica. Nisy rahalahy atao hoe Otto Kuglitsch, avy any amin’ny sampan’i Aotrisy, tamin’ny 1981, nampianatra ahy ny fomba fampiasa an’ilay milina fanaovana dika mitovy azonay voalohany. Milina offset ampiasana ravin-taratasy izy io. Tany Cluj-Napoca no napetraka ny milina faharoa tamin’ny 1987, ary nasaina nampiofana ireo olona hampiasa azy io aho.

Mbola niasa tamin’ny fanontam-pirinty sy fizarana boky aman-gazety ihany izahay sy Veronica ary Florin zanakay lahy nandritra ny valo volana, rehefa nesorina ny fandrarana tamin’ny 1990. Nanampy tamin’ny fandaharana ireo pejy vita pirinty i Florin. Rehefa vita mantsy izany, vao nofisahina ireo pejy, notapahina ny sisiny, natambatra sy nofonosina ary nalefa tany amin’ny fiangonana. Voatendry ho mpisava lalana tany Mizil izahay telo mianaka tamin’ny 2002. Misy mponina 15 000 ao, ary any amin’ny 80 kilaometatra avaratr’i Bucarest no misy azy. Mpisava lalana manokana izahay sy Veronica, fa i Florin kosa mpisava lalana maharitra.

[Efajoro/Sary, pejy 139, 140]

Nohajambain’i Jehovah ny Fahavalo

Ana Viusencu

Teraka: 1951

Batisa: 1965

Tantarany: Nanampy ny ray aman-dreniny nanao dika mitovy an’ireo boky sy gazety, hatramin’izy mbola zatovo. Anisan’ny nandika an’ireo boky sy gazety ho amin’ny teny ukrainien tatỳ aoriana.

Nadikako teo amin’ny stencil Ny Tilikambo Fiambenana indray andro, mba hatao dika mitovy. Ny taona 1968 tamin’izay. Tsy nitandrina anefa aho, ka hadinoko ny nampirina an’ireo stencil, rehefa nandeha nivory aho. Nandre fiara nijanona aho, raha vao tonga tao an-trano tamin’ny misasakalina. Talohan’ny nahitako hoe iza ilay izy, dia efa tafiditra tao an-trano ny polisy miafina dimy, niaraka tamin’ny taratasy fahazoan-dalana hisava. Natahotra aho, nefa niezaka ny ho tony. Nangataka tamin’i Jehovah koa aho mba hamela ahy noho ny tsy fitandremako. Nampanantena aho fa tsy hametrapetraka ny asako intsony.

Nipetraka teo amin’ilay latabatra nisy an’ireo taratasy ny lehiben’ireo polisy. Efa nasiako lamba maimaika teo ambonin’ireo taratasy ireo, raha vao nandre fiara nijanona aho. Nijanona teo izy mandra-pahatapitry ny fisavana, ora vitsivitsy taorian’izay. Nanamboamboatra an’ilay lamba imbetsaka izy, rehefa nanao tatitra teo akaikin’ireo stencil. Nolazainy tao fa tsy nahita boky na gazety voarara tao an-trano na tany amin’ireo olona tao izy sy ny namany.

Nentin’izy ireo tany Baia Mare ihany anefa i Dada. Nivavaka mafy ho azy izahay sy Neny, ary nisaotra an’i Jehovah noho izy niaro anay tamin’iny alina iny. Faly be izahay, rehefa nody i Dada andro vitsivitsy taorian’izay.

Nandre fiara nijanona tao ivelan’ny tranonay indray aho tsy ela taorian’izay, raha mbola teo am-panaovana dika mitovy an’ireo gazety vitsivitsy. Novonoiko ny jiro, ary nitsirika teo amin’ireo varavarankely nihidy aho. Nahita lehilahy maromaro nanao fanamiana aho, ary nisy galona namirapiratra teo amin’ny sorony. Nivoaka an’ilay fiara izy ireo, ary niditra tao amin’ilay trano teo ampitanay. Nisy lehilahy maromaro hafa indray nandimby azy ireo ny alina nanaraka. Nitombina ny ahiahinay fa tena polisy niafina tonga hitsikilo izy ireo. Notohizinay ihany anefa ilay asanay. Nentinay tany ampitan’ilay zaridaina tao ambadiky ny tranonay fotsiny ireo fitaovana, mba tsy ho tratra.

Matetika i Dada no nilaza hoe: “Toy ilay andry rahona nanasaraka ny Israelita sy ny Ejipsianina ny lalana manasaraka antsika sy ny fahavalo.” (Eks. 14:19, 20) Hitako tamin’ny zavatra niainako fa tena marina ny tenin’i Dada!

[Efajoro/Sary, pejy 143, 144]

Avotra Noho Ilay Fivoahan-tsetroka Simba

Traian Chira

Teraka: 1946

Batisa: 1965

Tantarany: Anisan’ireo rahalahy niandraikitra ny famokarana sy fitaterana boky aman-gazety, nandritra ireo taona nandrarana ny asa.

Nasiako boky sy gazety valo harona tao anaty fiarako, indray alahady maraina, nandritra ny vanin-taona mafana. Tsy omby tao anaty fitoeran’entana avokoa ireo harona ireo, ka nesoriko ny seza tao aoriana. Nataoko tao ny harona sasany, nosaronako bodofotsy, ary nasiako ondana teo amboniny. Izay mahita an’izany, dia hihevitra fa handeha ho any amoron-dranomasina izahay mianakavy. Mailo aho ka nasiako bodofotsy koa teo ambonin’ireo harona tao anaty fitoeran’entana.

Nangataka ny fitahian’i Jehovah izahay dimy mianaka, izany hoe izahay mivady sy ny zanakay roa lahy ary ny zanakay vavy. Nizotra nankany Tîrgu Mures sy Brasov izahay avy eo, mba hizara an’ireo boky sy gazety. Niredona ny hiran’ilay Fanjakana izahay teny an-dalana. Sendra lalana feno lavadavaka izahay, nony nandeha 100 kilaometatra teo ho eo. Navesatra ny entana, ka niletaka ilay fiara. Nidona tamin-javatra àry ny fivoahan-tsetroka ka vaky. Naka sisiny aho, ary nampidiriko tao anaty fitoeran’entana ilay fivoahan-tsetroka simba teo, izany hoe teo akaikin’ny kodiarana asolo, fa teo ambonin’ilay bodofotsy. Niraondraona nanohy ny dianay izahay avy eo!

Nosakanan’ny polisy izahay tao Luduş, mba hijereny raha ara-dalàna tsara ny fiaranay. Nojereny ny nomeraon’ny fiara, nandramany ny klakisaonina sy ny famafana fitaratra, ny jiro, sy ny sisa. Nangataka hijery ny kodiarana asolo izy avy eo. Nibitsibitsika tamin’ny vady aman-janako aho rehefa handeha ho any aorian’ny fiara hoe: “Mivavaha ianareo, fa i Jehovah ihany izao no afaka manampy antsika.”

Nosokafako ilay fitoeran’entana. Ilay fivoahan-tsetroka simba no tonga dia nisarika ny mason’ilay polisy. “Inona ity?”, hoy izy. “Tsy maintsy mandoa lamandy ianareo!” Afa-po izy rehefa nahita zavatra tsy nety, ka tsy nijery zavatra hafa intsony. Nohidiako ilay fitoeran’entana, sady nisento lalina aho, ary hafaliana moa izany ny ahy fa mba lamandy fotsiny no aloa! Tamin’izay ihany izahay no saika tratra, ka afaka nahazo ny boky aman-gazetiny ireo rahalahy.

[Efajoro/Sary, pejy 147-149]

Fihaonana Tamin’ny Polisy Miafina

Viorica Filip

Teraka: 1953

Batisa: 1975

Tantarany: Nanomboka nanompo manontolo andro tamin’ny 1986 ary anisan’ny mpianakavin’ny Betela ankehitriny.

Nampijalin’ny fianakavianay izahay sy Aurica rahavaviko, rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nangidy tokoa izany, nefa nanomana anay tamin’ny fihaonana tamin’ny polisy miafina tatỳ aoriana. Nihaona tamin’izy ireo aho indray takariva, tamin’ny Desambra 1988. Niara-nipetraka tamin’i Aurica sy ny ankohonany aho tamin’izany, tao Oradea, akaikin’ny sisin-tanin’i Hongria.

Nisy gazety hotsaraina tsipelin-teny tao anaty kitapoko, tamin’izaho ho any an-tranon’ny anadahy iray niandraikitra ny asa fandikan-teny. Tsy fantatro hoe nisava tao an-tranony ny polisy miafina, ary nanadihady ny tompon-trano sy izay rehetra tonga hitsidika. Soa ihany fa afaka nandoro an’ilay gazety aho, raha vao nahita izany, nefa tsy nisy nahatsikaritra. Nentin’ireo polisy tany amin’ny biraony izaho sy ny Vavolombelona hafa taorian’izay, mba hoadinadinina bebe kokoa.

Nanadina ahy nandritra ny alina izy ireo. Nitady an’ilay trano voalaza tao amin’ny adiresiko izy ireo ny ampitson’iny. Tao an-tanànan’i Uileacu de Munte, tsy lavitra teo ilay izy. Tsy tao aho no nipetraka, saingy nataon’ireo anadahy fanatobiana ny entana nilaina tamin’ilay asa miafina, io trano io. Nentin’ny polisy niverina tany amin’ny biraony aho, rehefa hitany ireo zavatra ireo. Nokapohiny tamin’ny kibay fingotra aho, mba hilazako izay tompon’ireo, na izay nampiasa azy. Nitalaho tamin’i Jehovah aho, mba hanampiany ahy hiaritra an’ilay kapoka. Nanomboka nanana fiadanana anaty aho, ary tsy naharitra afa-tsy segondra vitsy monja ny fanaintainako isaky ny voakapoka. Nivonto be anefa ny tanako tsy ela taorian’izay, ka toa tsy ho afaka hanoratra intsony. Novotsorana aho tamin’iny hariva iny. Tsy nanam-bola mihitsy aho, nefa noana be sady reraka.

Narahin’ny polisy iray aho, rehefa nandeha an-tongotra nankeny amin’ny fitobian’ny bisy. Tsy nolazaiko tamin’ireo nanadina ahy ny toerana nipetrahako. Tsy afaka namantana tany an-tranon’i Aurica àry aho, sao hahita loza amin’izany izy mianakavy. Tsy fantatro tsara izay hatao sy izay tany haleha. Nitalaho tamin’i Jehovah aho, ary nilaza taminy fa noana mafy, sady te hatory eo ambony fandriako. ‘Mila voatsiary ve aho?’, hoy aho anakampo.

Efa hanainga mihitsy ny bisy iray, rehefa tonga teny amin’ny fitobiany aho. Nihazakazaka aho ary niditra tao, na dia tsy nanam-bola hatao saran-dalana aza. Ho any amin’ny tanàna nisy ny tranoko indrindra izy io tamin’izay. Tafiditra tao amin’io bisy io koa ilay polisy. Nanontaniany ahy ny toerana halehan’ilay bisy, ary lasa nivoaka izy. Fantatro avy amin’izay fa nety ho nisy polisy iray hafa niandry ahy tany Uileacu de Munte. Nahatsiaro ho maivamaivana aho rehefa navelan’ilay mpamily handeha tamin’ny bisiny. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Nahoana moa aho no ho any Uileacu de Munte?’ Tsy te ho any an-tranoko aho, satria tsy nisy sakafo tany, sady tsy nisy fandriana.

Nijanona mba hanala olona ilay bisy nony tonga tany akaikin’i Oradea, raha mbola teo am-piresahana tamin’i Jehovah ny zavatra nampanahy ahy aho. Nanararaotra niala koa aho. Faly erỳ aho rehefa lasa ilay bisy. Nandeha nankany an-tranon’ny anadahy iray fantatro aho, sady nitandrina tsara. Vao nahamasaka goulash (lasopy hen’omby miharo ovy sy sakaibe ary zava-manitra) ny vadin’ilay anadahy tamin’izaho tonga, sady anisan’ny sakafo tena ankafiziko izy io. Nasain’ilay fianakaviana hiara-misafo taminy aho.

Efa alinalina ihany aho vao nankany an-tranon’i Aurica, satria tamin’izay vao azoko antoka fa tsy nisy natahorana intsony. Natory teo ambony fandriako ihany aho. Nomen’i Jehovah tokoa ireo zavatra roa nangatahiko taminy, dia ny hahazo sakafo tsara sy hatory eo amin’ny fandriako. Manana Ray tena tsara fanahy tokoa isika!

[Efajoro, pejy 155]

Tanora Miambina Tsara

Tsy nivadika mihitsy ny tanora nandritra ny fanenjehana, ka tena mendri-piderana. Maro no nitory ny vaovao tsara na dia nety ho nigadra aza. Hafa indray anefa izao ny fitsapana mahazo azy ireo. Mampalahelo fa tsy malina intsony ny sasany. Miambina tsara kosa ny hafa. Maromaro, ohatra, ny ankizy mpianatry ny lise ao Câmpia Turzii no miara-mamaky ny teny hodinihina isan’andro, mandritra ny fakan-drivotra amin’ny maraina. Eo an-tokotanin-tsekoly na eo amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena no anaovan’izy ireo izany. Miaraka amin’izy ireo koa indraindray ny mpianatra hafa.

Hoy ny anabavy tanora iray: “Miaro ahy ny famakiana ny teny hodinihina isan’andro miaraka amin’ny namako. Eo aho no mba tafasaraka vetivety amin’ny mpianatra tsy manompo an’i Jehovah. Mampahery ahy koa ny mahita fa tsy izaho irery no Vavolombelon’i Jehovah.” Nidera an’ireo tanora tsara fitondran-tena ireo ilay vehivavy talen’ny sekoly sy ny mpampianatra sasany.

[Efajoro, pejy 160]

Miorina Araka ny Lalàna ny Vaovao Tsara

Namoaka didy ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy Fivavahana eto Romania, tamin’ny alakamisy 22 Mey 2003, fa eken’ny Fanjakana ho ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay niorina tamin’ny 9 Aprily 1990. Afaka mahazo ny tombontsoa omena ny fivavahana ara-dalàna rehetra izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ny zo hitory sy hanorina Efitrano Fanjakana. Io fanekena ho ara-dalàna io no vokatry ny ady mafy natao tany amin’ny fitsarana nandritra ny taona maro.

[Tabilao, pejy 80, 81]

ROMANIA IREO TAONA NANAN-TANTARA

1910

1911: Niverina avy any Etazonia i Károly Szabó sy József Kiss.

1920: Nasiana biraon’ny sampana tany Cluj-Napoca. Io no niandraikitra ny asa tany Albania, Boligaria, Hongria, Iogoslavia teo aloha, ary teto Romania.

1924: Novidina ireo tranon’ny sampana tany Cluj-Napoca, anisan’izany ny trano fanontam-pirinty.

1929: Ny sampan’i Alemaina indray no niandraikitra ny asa, ary avy eo ny Biraon’i Eoropa Afovoany tany Soisa.

1938: Nakaton’ny fitondram-panjakana sady tsy navelany hidirana ny biraon’ny sampan’i Romania, izay any Bucarest ankehitriny.

1940

1945: Voasoratra ara-panjakana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

1946: Olona 15 000 teo ho eo no nanatrika ny fivoriambe voalohany, tany Bucarest.

1947: Nitety an’i Romania i Alfred Rütimann sy Martin Magyarosi, ny volana Aogositra sy Septambra.

1949: Nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana kominista, ary nalainy daholo ny fananan’ny sampana.

1970

1973: Ny sampan’i Aotrisy indray no niandraikitra ny asa, fa tsy ny sampan’i Soisa intsony.

1988: Nitsidika an’i Romania ny solontenan’ny Filan-kevi-pitantanana.

1989: Rava ny fitondrana kominista.

1990: Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Fivoriambe maro no nalamina.

1991: Navoaka niaraka tamin’ny teny anglisy Ny Tilikambo Fiambenana miloko, amin’ny teny romanianina.

1995: Natsangana tao Bucarest indray ny biraon’ny sampan’i Romania.

1999: Natao teto Romania ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany.

2000

2000: Navoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny romanianina.

2004: Notokanana ny Efitrano Fivoriambe voalohany, tany Negreşti-Oaş.

2005: 38 423 ny isan’ny mpitory eto Romania.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

40 000

20 000

1910 1940 1970 2000

[Sarintany, pejy 73]

(Jereo ny boky)

POLONINA

SLOVAKIA

HONGRIA

UKRAINE

MOLDAVIA

ROMANIA

Satu Mare

Oradea

Arad

Negreşti-Oaş

Baia Mare

MARAMUREŞ

Brebi

Bistriţa

Topliţa

Cluj-Napoca

Tîrgu Mureş

Ocna Mureş

TRANSYLVANIE

T. Carpates

Frătăuţii

Bălcăuţi

Ivăncăuţi

Prout

MOLDOVA

Braşov

Săcele

Mizil

BUCAREST

VALACHIE

Galaţi

Brăila

Danube

DOBROUDJA

SERBIA SY MONTÉNÉGRO

BOLIGARIA

MACÉDOINE

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 69]

Nody an-tanindrazana i Károly Szabó sy József Kiss tamin’ny 1911, mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana

[Sary, pejy 70]

Paraschiva Kalmár (mipetraka) sy ny vadiny, ary ny valo amin’ireo zanany

[Sary, pejy 71]

Gavrilă Romocea

[Sary, pejy 71]

Elek sy Elisabeth Romocea

[Sary, pejy 77]

Fanorenana ilay birao vaovao tany Cluj-Napoca, taona 1924

[Sary, pejy 84]

Nomena anarana isan-karazany ireo boky sy gazety, rehefa nihamafy ny fanenjehana

[Sary, pejy 86]

Tonga avy tany Gresy i Nicu Palius mba hanampy tamin’ny asa

[Sary, pejy 89]

Nihaino lahateny ara-baiboly noraisim-peo, taona 1937

[Sary, pejy 95]

Maria sy Martin Magyarosi (ankavia) ary Pamfil sy Elena Albu

[Sary, pejy 102]

Fivoriamben’ny faritra tao Baia Mare, tamin’ny 1945

[Sary, pejy 105]

Peta-drindrina momba ny fivoriambe, tamin’ny 1946

[Sary, pejy 111]

Mihai Nistor

[Sary, pejy 112]

Vasile Sabadâş

[Sary, pejy 117]

Fitaovana fihainoana nampiasain’ny polisy miafina

[Sary, pejy 120]

Periprava, toby fiasana an-terivozona eo amin’ny Vinanihefak’i Danube

[Sary, pejy 133]

Ilay Fitotoam-bary

[Sary, pejy 134]

Veronica sy Nicolae Bentaru, ao amin’ilay efitra miafina ao ambanin’ny tranony

[Sary, pejy 138]

Doina sy Dumitru Cepănaru

[Sary, pejy 138]

Petre Ranca

[Sary, pejy 141]

Fivoriambe tamin’ireo taona 1980

[Sary, pejy 150]

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana voalohany teto Romania, 1993

[Sary, pejy 152]

Roberto sy Imelda Franceschetti

[Sary, pejy 156, 157]

An’arivony no nanatrika ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” tamin’ny 1996, na dia nanohitra aza ny mpitondra fivavahana

[Sary, pejy 158]

1) Fitambaran-trano misy Efitrano fanjakana fito, Tîrgu Mureş

2) Sampan’i Romania, Bucarest

3) Efitrano Fivoriambe, Negreşti-Oaş

[Sary, pejy 161]

Komitin’ny Sampana, manaraka ny fihodin’ny famantaranandro, avy eo ambony, ankavia: Daniele Di Nicola, Jon Brenca, Gabriel Negroiu, Dumitru Oul, ary Ion Roman