Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

“HO AMINAREO anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!” Io no fiarahabana nampiasain’i Paoly matetika tao amin’ny taratasiny ho an’ireo fiangonana. Izany koa no irinay ho anareo rehetra.—Efes. 1:2.

Tena ankasitrahantsika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah, amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy! Mahazo fankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra isika noho ny vidim-panavotana. Tsy hahazo izany noho ny ezaka ataontsika mihitsy isika, na dia mazoto mianatra Baiboly, na mitory ny vaovao tsara, na manao asa tsara hafa maro be toy inona aza. Omena antsika ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay. Tsy takalon’ny ezaka ataontsika anefa izany, fa fanomezana mampiseho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.—Rom. 11:6.

Hoy i Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy: “Miangavy anareo koa [izahay] mba tsy hoe hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra ianareo nefa tsy hahatratra ny zava-kendren’izany. Fa hoy izy: ‘Tamin’ny fotoana fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao.’ Indro, izao indrindra no fotoana fankasitrahana. Indro, izao no andro famonjena.” Nisy “fotoana fankasitrahana” talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. Voavonjy ny fifandraisan’ny olona tso-po tamin’Andriamanitra, satria tia an’i Jehovah izy ireo. Voavonjy koa ny ain’ireo nahatoky rehetra, satria nandositra niala an’i Jerosalema izy ireo, talohan’ilay fandravana tamin’ny taona 70.—2 Kor. 6:1, 2.

Ao anatin’ny “fotoana fankasitrahana” sy “andro famonjena” koa isika. Ho voavonjy amin’ny “andron’i Jehovah” efa tena akaiky ny ain’ireo eken’i Jehovah ho mpanompony sy manana fifandraisana tsara aminy.—Zef. 1:14.

Manana andraikitra mavesatra isika, eo am-panatonan’ny andron’i Jehovah. Tsy maintsy mampitandrina ny olona isika, sady manampy ny olona tso-po handray soa avy amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jehovah, mba hahavoavonjy azy ireo koa. Takatr’i Paoly tsara fa tena lehibe izany andraikitra izany. Hoy izy: “Lozako tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” Izao koa no zavatra tsapany, araka ny nosoratany: “Manan-trosa amiko ny ... hendry sy ny tsy hendry: Koa marisika hitory ny vaovao tsara ... aho.”—1 Kor. 9:16; Rom. 1:14, 15.

Hampamoahin’i Jehovah isika, raha manao tsirambina ilay asa lehibe fampitandremana ny olona. Fantatsika izao tenin’i Jehovah tamin’i Ezekiela mpaminany izao: “Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely hianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy. Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao! ary tsy mananatra azy hianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ny làlany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tànanao ny rany.”—Ezek. 3:17, 18.

Tsy mora setraina izao andro farany izao. Tsy mora ny mampifandanja ny andraikitra ara-pianakaviana, ny fivelomana, ny asan’ny fiangonana, ary ny fitoriana. Maro aminareo koa no miatrika aretina, fahaketrahana, fahanterana, ary fanoherana mihitsy aza. “Mavesatra entana” ny ankamaroanareo. Miaraka ory aminareo izahay, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.” (Matio 11:28) Tena derainay ianareo rehetra, izay miezaka hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana hatrany, na dia eo aza ny zava-tsarotra samihafa.

Nazoto nitory sy nampianatra ianareo, sady notahin’i Jehovah, ka nisy 4 762 ny salanisan’ny natao batisa isan-kerinandro eran-tany. Nisy fiangonana 1 375 niforona tamin’ny taom-panompoana lasa. Efa misy amin’ny fiteny 120 mahery izao ilay boky vaovao hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Manantena izahay sady mivavaka fa hanampy olona an-tapitrisany maro izy io mba hahazo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fiadanana avy amin’i Jehovah, amin’izao “andro famonjena” izao.

Matokia fa tia anareo sy mivavaka ho anareo ny Filan-kevi-pitantanana. Misaotra anareo koa izahay noho ny vavaka ataonareo ho anay.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah