Tatitra Maneran-tany
Tatitra Maneran-tany
◼ AZIA SY MOYEN-ORIENT
Tany: 47
Mponina: 3 896 182 946
Mpitory: 582 360
Fampianarana Baiboly: 453 069
Kirghizistan: Tsy nahatratra olona tao amin’ny trano iray teo amin’ny faritaniny mihitsy i Svetlana, mpisava lalana mpanampy. Nandalo teo izy indray andro, ary nieritreritra fa tsy misy antony hankanesana ao, satria tsy nisy olona foana tao. Nankao ihany anefa izy, ary tena faly nahita tovovavy iray tao. Faly ilay tovovavy, rehefa nahita Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza izy fa efa nianatra Baiboly, nefa tsy nifankahita tamin’ny Vavolombelona intsony. Nanontanian’i Svetlana izy raha te hahazo gazety tsy tapaka. Namaly izy fa tsy gazety ihany no ilainy, fa fampianarana Baiboly koa! Natomboka avy
hatrany ny fianarana, ary manatrika fivoriana izao io olona liana io.Japon: Nitory teo amin’ny faritany be toeram-piasana ny anabavy roa, ary niditra tao amin’ny biraon’ny mpisolovava iray, izay fanta-daza ho manampy ny mahantra. Nisy vehivavy nanohitra avy hatrany azy ireo tao, ary nilaza fa mbola sahirana. Nandray gazety anefa izy. Ilay vehivavy irery no tao amin’ilay birao, rehefa niverina nitsidika tao ireo anabavy. Mbola tsy niarahaba akory anefa izy ireo, dia efa nanontany tamin-katezerana ilay vehivavy hoe: “Nahoana no misy mamono ny ankizy tsy manan-tsiny? Nahoana no toy izao ity tontolo ity? Mila fanazavana marim-pototra aho! Lazao amiko, raha hainareo ny mamaly izany!” Noresahin’izy ireo nandritra ny adiny iray taorian’izay ny adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao, ka niova tsikelikely ny fihetsik’ilay vehivavy. Nisaotra an’ireo anabavy izy, noho izy ireo nampiasa Baiboly mba hamaliana fanontaniana noheveriny fa tsy hisy hahay hamaly. Rehefa handeha ireo anabavy, dia nomen’ilay vehivavy azy ireo ny adiresy sy ny nomeraon-telefaoniny, ary hoy izy: “Ny olona tena akaiky ahy ihany no omeko an’ireo, raha ny marina. Hafa anefa ianareo. Mbola te hiresaka aminareo aho, satria tsy zavatra madinika ny resatsika teto.” Natomboka ny fampianarana Baiboly.
Népal: Mpiangona nandritra ny taona maro ny vehivavy iray, nefa kivy noho ny fitiavan-karena sy ny ady hitany tao am-piangonany. Lasa pasitera ny vadiny, nefa nisy ady momba ny rakitra tao, ka noroahina izy. Lasa mpisotro toaka be ilay lehilahy, ary tsy namelona ny ankohonany intsony. Nitady mafy ny fahamarinana ilay vehivavy, ary nivavaka isan’andro. Niasa tany amin’ny fanangonana taratasy efa niasa izy, mba hamelomana ny ankohonany. Nikirakira boky sy gazety izy indray mandeha, rehefa nahita an’ilay boky hoe Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Nafeniny tao anaty akanjony ilay izy, ary nentiny
nody. Novakiny isan’andro ilay boky, ary nivavaka foana izy. Tonga tao am-baravarany àry i Bishnu, anabavy mpisava lalana manokana, indray andro. Tian’ilay vehivavy ny zavatra nolazain’i Bishnu, ka nampandrosoiny izy. Hitan’ilay vehivavy tsikelikely fa mitovy ny zavatra nolazain’i Bishnu sy izay voalazan’ilay boky. Nasehony an’i Bishnu nony farany ilay boky, ka faly izy rehefa fantany fa bokintsika ilay izy. Mianatra Baiboly foana izy izao, ary manatrika ny fivoriana rehetra miaraka amin’ny zanany.Sri Lanka: Mbola tsy mpitory akory i Punchibanda, nefa manao fitoriana tsy ara-potoana. Niresaka tamin’ny mpangataka iray izy indray mandeha. Nilaza izy io fa nisy aretina nahazo ny zanany vavimatoa, ka nahafaty azy io. Efa nandeha tany amin’ny Fiangonan’Andriamanitra izy ireo, satria nanantena hahazo fanasitranana mahagaga, nefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Nohazavain’i Punchibanda fa tsy manao fanasitranana mahagaga intsony Andriamanitra ankehitriny, fa rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra vao hisy izany. Nanome gazety momba izany ho an’ilay mpangataka izy. Nasainy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana ilay lehilahy, tatỳ aoriana. Nody ilay mpangataka, ary niresaka tamin’ny ankohonany momba ilay fanasana, sady nampiseho an’ireo gazety. Nilaza koa ny vadiny fa nahazo gazety, ary nisy nanasa ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanapa-kevitra handeha irery ho any amin’ny Efitrano Fanjakana aloha ilay lehilahy. Nandray azy tsara ireo rahalahy sy anabavy tany. Manatrika fivoriana daholo izao izy sy ny vadiny sy ny zanany lahy iray ary ny zanany vavy roa, ary faly miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah.
Liban: Mitantara toy izao ny anabavy mpisava lalana manokana, avy any Philippines: “Nihaona tamin’ny vehivavy iray avy any Philippines aho, rehefa nitory teny an-dalana. Notsidihiko tany am-piasany izy, ary afaka nitarika fampianarana Baiboly taminy aho. Be fanontaniana izy. Tsy voavaliko akory
ny fanontaniana iray indraindray, dia efa apetrany ny manaraka. Nanohitra azy anefa ny namany akaiky, izay nafana fo tany amin’ny fivavahany. Nampalahelo fa nanaiky lembenana izy, ka tsy nianatra Baiboly intsony, na dia nampirisihiko mba tsy ho kivy aza. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Tsy maintsy hiverina hianatra izy, raha tena ondry.’ Lasa ny herintaona, ary mbola nieritreritra azy foana aho. Nanoratra ho azy àry aho, ary nampahafantariko azy fa mbola tsaroako izy, ary ho faly hahita azy indray aho. Nantsoiny an-telefaonina aho, ka tonga nitsidika azy. Mbola liana kokoa noho ny taloha izy tamin’izay. Mbola tao am-pony ireo zavatra noresahinay taloha, ary tena nankasitrahany. Nolazainy tamiko fa fiangonana maro be no efa nandehanany, nefa tsy nisy nampianatra ny fahamarinana ireny. Niverina nianatra àry izy, nandroso, ary vita batisa. Mpitory tsy vita batisa ny zanany lahy 12 taona.”Inde: Hoy ny anabavy iray: “Nitory isan-trano izahay indray mandeha. Hitanay ny ankizivavy iray niditra tao an-tranony, rehefa nahita anay. Tsy ela dia nisy lehilahy nandroaka anay. Hitanay niresaka tamin’ilay lehilahy ilay ankizivavy, rehefa handeha izahay. Niandry bisy izahay avy eo, ary tonga teo niaraka tamin’ny bisikiletany ilay ankizivavy. Hoy izy taminay: ‘Fantatro fa i Jehovah no Andriamanitra marina. Afaka mampianatra Baiboly ahy ve ianareo? Niditra tao an-trano aho teo, satria te hampandroso anareo, nefa tsy navelan’ny tompon-trano.’ Nanontanianay izy hoe ahoana no nahalalany fa i Jehovah no Andriamanitra marina. Nilaza izy fa teny ambony bisy izy, roa taona talohan’izay, rehefa nahita fivoriana nisy Kristianina maro. Fivoriamben’ny vondrom-paritra izy io. Niala an’ilay bisy izy, ary nanatrika nandritra ny telo andro. Niandry Vavolombelon’i Jehovah ho tonga tao an-tranony izy, nanomboka tamin’izay. Hitanay fa tena liana izy, ka nentinay tany an-tranon’ny rahavavy iray, ary natomboka ny fampianarana Baiboly. Nanomboka nivory tsy tapaka izy, ary mandroso tsara.”
◼ AFRIKA
Tany: 56
Mponina: 781 767 134
Mpitory: 1 015 718
Fampianarana Baiboly: 1 820 540
Ouganda: Vavolombelona miasa ao amin’ny tobim-pahasalamana lehibe iray i Lucy. Nisy fanamarinana kaonty natao tao am-piasany, ka hita fa nisy vola be nanjavona. Nantsoina àry izy sy ny mpiara-miasa taminy vitsivitsy mba hianiana ho tsy manan-tsiny. Nasaina nihazona Baiboly sy nianiana ho tsy diso izy ireo tamin’izany. Tsy nanao an’ilay fianianana anefa i Lucy, rehefa tonga ny anjarany. Nosokafany fotsiny ny Ohabolana 15:3, ary novakiny mafy hoe: “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” Nangina tanteraka aloha ny rehetra. Nankeo amin’ilay lehibe avy eo ilay olona meloka, ary niaiky ny fahadisoany. Nilaza ilay lehibe fa tokony hahatsiaro an’io “andinin-tenin’i Lucy” io ny rehetra, amin’ny manaraka. Nampitomboina ny karaman’i Lucy tatỳ aoriana, ary izy no nasaina nihazona ny lakilen’ilay tobim-pahasalamana.
Bénin: Maro no naneso an’i Josué tany am-pianarana. Diso ny valin-teniny indray mandeha, ka naneso azy ny mpiara-mianatra taminy sasany hoe: “Nahoana àry ianao, ry mpisoron’i Jehovah, no manao fahadisoana?” Nanampy koa ny hafa, ary nanao teny maneso toy ny hoe: “Mandany fotoana mandehandeha mitondra kitapo izy, ka izao no vokany.”
Hoy i Josué: “Tena natahotra ny hihaona tamin’ny mpiara-mianatra tamiko aho, rehefa nanompo ny faran’ny herinandro.” Nivavaka momba izany izy, ary nanatona anti-panahy. Nampirisihin’ilay anti-panahy i Josué mba hanao zavatra hamaliana izany, ka hampitombo ny fanompoany sy ho sahy hametraka boky amin’ireo mpiara-mianatra. Avo telo heny ny vokatra azon’i Josué. Hoy izy: “Matetika aho izao no mpisava lalana mpanampy. Ampianariko Baiboly izao ny roa tamin’ireo mpiara-mianatra naneso ahy. Niezaka koa aho ka nihatsara be ny naotiko tany am-pianarana.”
Etiopia: Roa taona lasa izay, dia nahita fahazoan-dalana hamily fiara i Asnakech, ary nanao fotoana tamin’ilay tompony mba hamerina azy io. Elsa no anaran’ilay tompony. Gaga i Elsa, rehefa nahita ny fanaovan’i Asnakech ny marina, ary saika hanome vola azy. Tsy noraisin’i Asnakech ilay vola, fa nomeny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? kosa ilay vehivavy. Nanomboka nianatra Baiboly i Elsa ny ampitso. Nilaza izy fa tsy vaovao taminy ilay anarana hoe Jehovah, satria efa nilaza azy momba izany ny rainy, izay mpitondra fivavahana. Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra i Elsa sy ny ankohonany, ka nanomboka nianatra Baiboly koa ny vadiny. Tezitra anefa ny rain’i Elsa, rehefa nandre izany,
ka nolazainy fa olona tsy misy ilana azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hanohy ny fianarany anefa i Elsa, ka nohazavainy tamim-pahalalam-pomba tamin-drainy fa tsy toy izany ny Vavolombelona. Sosotra ilay rainy, ka nalainy an-tsokosoko ilay bokikely Takina an’i Elsa. Novakiny imbetsaka ilay izy, ka nanohina ny fony. Fanaony taloha ny manome tsodrano ny mpandalo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy nanao izany intsony anefa izy, rehefa avy namaky an’ilay bokikely. Tsy ela izy dia nolazain’ny olona ho “mpivadi-pinoana”, ka nisy te hamono azy. Nifindra nankany Addis-Abeba àry izy, ka nanomboka nianatra Baiboly koa. Lasa Vavolombelona vita batisa i Elsa sy ny havany fito hafa. Mandroso tsara koa ny vady aman-janany.Côte d’Ivoire: Nametraka bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? tamin’ny mpivarotra iray mpamaky Baiboly i Anderson. Tsy ela dia natomboka ny fianarana Baiboly. Tena tian’ilay lehilahy ilay lesona hoe “Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra.” Hoy izy: “Tsy fantatro taloha fa manana ny adidiny avy ny mpivady. Tsy tiako mihitsy taloha ny notenitenenin’ny vadiko, rehefa tara aho vao mody. Nilaza taminy aho hoe: ‘Izaho no lehilahy, ka afaka mandeha any amin’izay tiako haleha aho. Ianao no vehivavy, ka mikarakara tokantrano no anjaranao.’ Mody avy hatrany aho izao, rehefa avy miasa, ka manampy ny vadiko manao raharaha.”
Kenya: Ren’ny ankizilahy iray fito taona fa hitsidika ny fiangonany ny mpiandraikitra ny faritra. Nanatona ny talen’ny sekoliny àry izy, herinandro talohan’ilay fitsidihana, ary nangataka alalana mba hanatrika fivoriana ny talata hariva. Nekena izany. Ny ampitson’io anefa dia nilazana ilay zazalahy rehefa nody, fa tokony hiverina hiaraka amin’ny ray aman-dreniny sy ilay olona hitsidika izy. Nankany am-pianarana niaraka tamin’ny rain’ilay zazalahy àry ilay mpiandraikitra ny faritra. Taitra ilay tale, rehefa nahita fa tonga tokoa ilay mpitsidika, ary nandeha an-tongotra adiny iray mahery, nitety
havoana, mba hihaona taminy. Nandray boky izy, ary nanjary sariaka sy vonon-kanampy.Malawi: Matetika no nila vaniny tamin’ny rahalahy iray teny amin’ny fanompoana ny lehilahy iray mandeha bisikileta. Mijanona io lehilahy io, rehefa mahita an’ilay rahalahy mitory, ary manangana ady aminy. Nosintoniny teny amin’ilay rahalahy mihitsy aza ny Baiboliny. Teo am-pitarihana fampianarana Baiboly ilay rahalahy, indray andro, rehefa nandalo ilay lehilahy nitaingina bisikileta. Niondrika mba hikitika zavatra tao amin’ny bisikiletany ilay lehilahy, kanjo tafiditra tao anaty rayons tao amin’ny kodiarana aloha ny tanany, ka naratra be. Narary be ilay lehilahy, nefa ilay rahalahy ihany no mba nanampy azy, namehy ny rantsantanany sy nanao izay hitondrana azy tany amin’ny hopitaly. Tonga tany an-tranon’ilay lehilahy ilay rahalahy, tatỳ aoriana. Menatra noho ny zavatra nataony taloha ilay lehilahy, ka niaiky fa ny finoany tsaho no nahatonga azy hanao ireny. Hoy izy: “Ianareo no mpivavaka amin’ilay tena Andriamanitra. Tsy noheveriko ho tsara fanahy amiko mihitsy ianao, noho ireny zavatra nataoko taminao ireny.”
Cameroun: Nipetraka tao amin’ny efitra fiandrasana tao amin’ny hopitaly ny anabavy tanora iray. Be olona be tao, nefa nisy lahiantitra narary tonga tao. Feno daholo ny seza, ka tsy maintsy nitsangana ilay lehilahy. Hoy ilay anabavy: “Nampalahelo ahy izy, ka nomeko azy ny toerako. Nimenomenona ny tao amin’ilay efitra, satria tsy maintsy ho lasan’ilay lehilahy ny laharako, rehefa nomeko azy ny toerako. Nanatona ahy ny vehivavy iray avy eo, ary nanontany ny fivavahako. Novaliako izy hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Nidera ahy izy satria vitsy, araka ny heviny, ny tanora hanao zavatra toy ny nataoko. Nohararaotiko izany mba hitoriana taminy sy ny olon-kafa. Nampiasaiko ny trakta vitsivitsy tatỳ amiko. Namaly fanontaniana maro koa aho. Niova ny fomba fijerin’ny sasany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka vonona kokoa ny handray Vavolombelona any an-tranony izy ireo izao.”
Togo: Nihaona tamin’ny tovolahy iray faly nifankahita taminy ny rahalahy sasany, rehefa niasa tany amin’ny faritany mitokana. Nasehony azy ireo ny kahie roa nandikany tanana manontolo an’ilay boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany sy ny ampahan’ilay hoe “Fantaro Tsara ny Zava-drehetra.” Hitany tao an-tranon’ny pasitera iray ireo boky ireo, tamin’izy nipetraka tao. Nanana talantalam-boky roa ilay pasitera. Ny iray ho an’ireo boky tiany, ary ny faharoa kosa ho an’ireo boky “tsy dia ilaina.” Teo amin’io faharoa io no nahitan’ilay tovolahy an’ireo bokintsika. Namaky pejy vitsivitsy tamin’ny anankiray izy, ka nahaliana azy ny zavatra novakiny. Tsy azony nalaina anefa ireo boky, sady tsy fantany izay fomba hahazoana amin’ilay izy, ka izany no nandikany azy ireo. Noresahiny tamin’olona ny zavatra novakiny, ka nanohitra azy ny reniny sy ilay pasitera. Nametraka boky taminy ireo rahalahy, ary manampy azy handroso.
Afrika Atsimo: Vavolombelona i Thandi, ary nasain’ny mpampiasa azy mba hiresaka tamin’i Bella, mpiara-miasa taminy, izay manana olana ara-panambadiana. Polisy ny vadin’i Bella, ary namono sy nampijaly azy. Tapa-kevitra ny hisaraka taminy àry i Bella. Nomen’i Thandi roa tamin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana i Bella, ary nampirisihiny mba hanome ny iray ho an’ny vadiny. Niresaka izy ireo, herinandro taorian’izay. Nolazain’i Bella tamin’i Thandi àry fa mamaky an’ilay boky ny vadiny, ary milamina kokoa izao ny tokantranony. Telo volana tatỳ aoriana, dia nolazain’i Bella tamin’i Thandi fa novonjen’Andriamanitra ny fanambadiany, vokatry ny vavaka sy ny boky Fahasambaram-pianakaviana. Ren’ny mpampiasa an’i Bella izany, ka nanolo-kevitra izy mba homena iray avy amin’io boky io ireo mpiasa 2 000 tao amin’ilay orinasa. Boky Fahasambaram-pianakaviana 96 no voapetrak’i Thandi tamin’ny mpiara-miasa hatramin’izao. Nanao fanomezana ho an’ny asa fitoriana eran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay orinasa.
◼ IREO TANIN’I AMERIKA
Tany: 56
Mponina: 879 073 403
Mpitory: 3 199 835
Fampianarana Baiboly: 3 022 276
Venezoelà: Nahazo telefaonina vaovao tao an-tranony sy nomerao vaovao ny fianakaviana Vavolombelona iray. Nisy olana ara-teknika anefa, ka antso avy amin’olona te hiresaka tamin’ny vehivavy mpanandro iray tao amin’ny televiziona teo an-toerana, no voarain’izy ireo. Nohararaotin’ilay fianakaviana izany. Nijery ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina izy ireo, ka nanomana fanazavana sy andininy vitsivitsy ho an’ireo mpiantso. Nanjary za-draharaha i Graciela, ilay renim-pianakaviana. Nisy niantso indray mandeha hoe: “Allo. Ianao ve ilay andriamanibavin’ny kintana?”
“Allo. Graciela ny anarako, ary ny anao?”
“Carmen.”
“Nahoana ianao ry Carmen no te hiresaka amin’ny andriamanibavin’ny kintana? Mitady fanampiana na torohevitra angaha ianao?”
Noresahin’i Carmen tamin’ilay anabavy ny olana mahazo azy. Nohazavain’i Graciela tamim-pitiavana ny fomba hahazoantsika torohevitra tena tsara, ary namaky andininy tao amin’ny Baiboly izy. Nanontany àry i Graciela hoe: “Tsy heverinao ve fa tokony hanatona an’ilay Mpamorona isika, raha mitady toro lalana azo itokisana ankehitriny sy amin’ny hoavy?” Niaiky i Carmen fa efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Natao ny fandaharana mba hanohizany ny fianarany. Niresaka tamin’olona maro hafa nitady fanampiana i Graciela sy ny ankohonany, ka afaka nitory tsara. Nampirisihiny ireo mpiantso mba hihaino ny Vavolombelona, rehefa tonga any aminy izy ireny. Natorony azy ireo koa ny Efitrano Fanjakana.
Kolombia: Nisy nangalatra ny fiaran’ny anabavy iray mipetraka any Cali, tamin’ny Martsa 2005. Hita ilay izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Niandry ny polisy tao anaty fiara ilay anabavy sy ny vadiny tsy Vavolombelona. Tsy andrin’izy ireo anefa ny polisy, ka nentin’izy ireo ilay fiarany. Nisy nampiasa tamin’ny asan-jiolahy anefa ilay fiara, ka nosakanan’ny polisy izy mivady, ary nosamborin’izy ireo sy nogadrainy. Nitory avy hatrany ilay anabavy, raha vao tonga tao am-ponja, ka vetivety dia nanomboka fampianarana Baiboly maromaro. Nafahana ny iray tamin’ireo mpianatra, nefa nangataka an’ilay anabavy mba hanohy ilay fianarana, raha vao tafavoaka izy. Nilazan’io mpianatra io koa ilay lehilahy niara-nipetraka taminy fa te hisora-panambadiana izy, mba hampifaliana an’Andriamanitra.
Vao haingana ilay anabavy no nivavaka mba hahita fotoana bebe kokoa hitoriana. Tsy nihevitra mihitsy anefa izy fa ho any am-ponja izany! Nilazana izy fa azo ahena ny fotoana hijanonany any am-ponja. Nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah anefa
izy, sady faly nitory, ka nolaviny izany. Nijanona iray volana sy tapany tany am-ponja izy mivady, ary nafahana avy eo. Nilaza ilay anabavy fa nihamafy ny finoany. Nahazo fanampiana sy fitsidihan’ireo rahalahy ny vadiny, nandritra izany. Tsy dia taitra loatra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra ilay lehilahy nandritra ny 20 taona talohan’io. Nanomboka nanatrika fivoriana anefa izy izao, ary nangataka ny hampianarina Baiboly. Mankany am-ponja matetika izao ilay anabavy, mba hitarika fampianarana Baiboly amin’ny vehivavy voafonja efatra ao. Mankasitraka an’i Jehovah izy, noho izy namaly ny vavaka nataony sy noho ny fitahiany tamin’ny lafiny maro.Brezila: Efa mahazatra, roa taona talohan’izao, ny mahita an’i Renildo jamba, mangataka eo an-tsenan’ny tanànany sy ny tanàna manodidina. Manao izany izy ho fanampin’ny vola fanampiana azy noho ny kilemany. Tena ahazoam-bola koa anefa ny fangatahana, satria manana fiara izy, ary manana trano misy fanaka tsara, sady afaka mividy sakafo betsaka. Tsy manana izany ny ankamaroan’ny olona ao amin’io tanàna mahantra io. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ka nanjary nijery kokoa ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Nanao fanapahan-kevitra tena lehibe izy. Niresaka tamin’ny vadiny sy ny zanany telo izy, mba hahitana izay azon’izy mianakavy atao mba hizatra amin’ny vola kely kokoa. Tsy nangataka intsony izy taorian’izay. Tsy ela izy mianakavy dia nandroso, ka natao batisa tamin’ny fivoriambe. Tsy mpangataka intsony izao no ahafantarana an’i Renildo, fa mpitory ny vaovao tsara mazoto, mandany 40 ora eo ho eo isam-bolana amin’ny fanompoana.
Ekoatera: Mpanatitra gazety amin’ny teny sinoa amin’ny tompona hotely fisakafoana ny mpisava lalana iray. Nitsidika an’io lehilahy io ny namany, izay tompona hotely fisakafoana koa. Hitan’ilay namany ireo gazety, ka novakiny. Tena liana izy, ka nanoratra tamin’ny sampan’i Hong-Kong, mba hangataka gazety maro kokoa sy Baiboly ary ny boky Manatòna An’i Jehovah.
Nangataka fampianarana Baiboly koa izy. Nifandray tamin’ny sampan’i Ekoatera ny sampan’i Hong-Kong. Tsy ela dia nisy mpisava lalana tonga tao amin’ilay lehilahy, nitondra an’ireo boky nangatahiny. Niverina izy ireo, efatra andro taorian’izay. Novakiny ve ireo boky? Hoy izy: “Nanomboka namaky ny Genesisy aho, ka eo amin’ny bokin’i Ezekiela aho izao, ary misy fanontaniana tiako hapetraka. Nahoana i Jehovah no tsara fanahy be amintsika olombelona? Azy ny zava-drehetra, koa nahoana izy no misahirana be toy izao manampy ny olombelona? Inona no tombontsoany amin’izany?” Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary nanomboka nanatrika fivoriana avy hatrany ilay lehilahy. Tsy nifoka sigara sy tsy niloka intsony izy. Akatony aloha mihitsy aza ilay hotely fisakafoana, mba hahafahany hanatrika fivoriana. Vonona ho mpitory tsy vita batisa izao ilay lehilahy. Mampianatra teny sinoa an’ireo rahalahy koa izy, mba hahafahan’izy ireo hanampy olon-kafa miteny sinoa eto Ekoatera.Honduras: Nanao fitoriana tsy ara-potoana ny anabavy iray atao hoe Flor, tany Goatemalà tamin’ny Janoary 2005.
Nitoriany tamin’izay ny tovolahy iray atao hoe Sebastián, 15 taona, mpanao hatsikana ao amin’ny tarika mpanao cirque iray. Liana izy io, saingy tsy nanam-potoana firy niresahana. Nianjera avy teny ambonin’ilay tranolay lehibe izy indray andro, ary nasiana platra, ka tsy afa-nihetsika. Nanam-potoana betsaka hieritreretana momba an’Andriamanitra àry izy. Nitsidika azy isan’andro i Flor mba hamaliana ny fanontaniany maro be. Tsy ela dia liana koa i Doris, renin’i Sebastián, mpandeha eo ambony tady, ka nampianarina Baiboly. Samy tonga nianatra teo niaraka tamin’ny zanany vavy koa i Dalila, trapezista, sy Sofia mpandihy, izay nianatra tamin’ny Vavolombelona taloha. Olona fito àry no niara-nianatra. Nampianarin’i Flor izy rehetra, ka indimy na impito isan-kerinandro mihitsy no nianarany nandritra ny roa volana.Tsy maintsy nanketo Honduras anefa ilay tarika. Nampirisihin’i Flor àry ireo mpianany hitady Vavolombelona any amin’ny tanàna halehany, mba hitohizan’ny fianarana sy hahafahan’izy ireo hivory. Tonga tany Copán izy ireo, ary nisy mpisava lalana manokana nampianatra azy ireo Baiboly tany. Nisy mpisava lalana manokana hafa indray nampianatra azy ireo, rehefa nifindra tany Gracias ilay tarika. Ary rehefa tonga tany Santa Rosa de Copán izy ireo, dia nisy niantso an-telefaonina ny mpivady misionera tao, nangataka azy ireo mba hikarakara an’ireo mpianatra mandritra ny roatokombolana manaraka.
Fampianarana hafakely ilay izy, satria olona fito na folo no indray nianatra tao ambanin’ilay tranolay fanaovana fampisehoana. Mianatra indroa isan-kerinandro izy ireo, ary manomana tsara, anisan’izany ny zandriny indrindra, dia ilay tovovavy sivy taona atao hoe Julietta, izay trapezista. Rehefa nanatrika fivoriana izy ireo, dia tsy maintsy niala avy hatrany taorian’ny fivoriana, ary lasa nisolo akanjo haingana, mba ho tonga ara-potoana amin’ny fampisehoana. Faly anefa izy ireo manao ilay ezaka.
◼ OSEANIA
Tany: 30
Mponina: 35 237 787
Mpitory: 93 961
Fampianarana Baiboly: 47 864
Nouvelle-Zélande: Namaky bokikely momba ny Baiboly ny anabavy tanora iray atao hoe Cecilia, nandritra ny sakafo antoandro. Nanontany azy ny mpiara-miasa taminy iray hoe momba ny inona izy io. Nisy olona 15 nivory àry teo mba hihaino ny fanazavan’i Cecilia. Anisan’izany ny lehibeny, izay nanasa azy ho ao amin’ny biraony avy eo. Nilaza taminy io lehibeny io fa nampiaiky azy ny fanazavan’i Cecilia. Noresahiny tamin’ny mpiasa koa fa hatao toerana iaraha-midinika ny Baiboly ilay efitrano fisakafoana. Nampiany 30 minitra ny fiatoan’i Cecilia amin’ny antoandro, ka lasa adiny iray, mba
hananany fotoana hisakafoana sy hanazavana ny Baiboly. Olona 9 ka hatramin’ny 15 no nanatrika an’ilay fiaraha-midinika, nandritra ny iray volana. Mianatra Baiboly tsy tapaka, mandroso tsara, ary mitory amin’ny havana aman-tsakaiza izao ny roa amin’ireo vehivavy.Tuvalu: Ankizivavy 14 taona i Peteli (midika hoe “Betela”), ary marenina izy. Manan-kavana Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nanatrika fivoriana. Tsy nandray soa loatra anefa izy, satria marenina, sady tsy nahay namaky teny. Nianaran’i Peteli samirery àry ny mamantatra izay lazain’ny molotry ny olona. Nampianarin’i Dale, anabavy misionera, izy tatỳ aoriana, ka ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! no nampiasain’izy ireo. Nampiasain’i Dale ireo sary mba hampianarana an’i Peteli momba ny Baiboly, ary ireo soratra kosa mba hampianarana azy hamaky teny. Tena sarotra izany, satria misionera vaovao i Dale, ary mbola vao nianatra ilay fiteny. I Peteli kosa nila fanampiana mba hanamboatra ny vavany, hahafahany hanonona tsara ireo teny. Mazoto be sady mianatra mafy anefa i Peteli. Nanomboka namaky teny izy, afaka telo volana monja. Miara-manomana valin-teny amin’ny fivoriana izy sy Dale. Manao fanazaran-tena i Peteli, ary faly manome valin-teny any am-pivoriana. Mipetraka eny aloha izy ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba hahitany tsara ny vavan’ny mpandahateny. Hoy i Dale: “Lasa tena naman’i Peteli i Jehovah. Matetika no latsa-dranomaso izy, rehefa miresaka momba ilay fotoana ‘hampahaladina ny sofin’ny marenina’ izahay.”—Isaia 35:5.
Samoa: Mitarika fampianarana Baiboly amin’ny vehivavy metodista
iray, mipetraka eo ampitan’ny tranon’ny pasiterany, i Elena, mpisava lalana. Teo anoloan’ilay trano no natao ny fianarana, ary hitan’ilay pasitera tsara. Tonga teo ilay pasitera, rehefa nianatra izy ireo, indray mandeha. Nanontanian’ilay mpianatra azy ny anton-diany. Hoy ilay pasitera: “Mitady ny kisoa keliko aho. Efa ho iray volana izay izy io no tsy hitako.” Nitodika tany amin’i Elena izy avy eo, nanontany hoe: “Fantatrao ve hoe nahoana ny kisoa keliko no nandositra tao amiko?” Noheverin’i Elena fa tena zana-kisoa no noresahiny, ka nilaza izy hoe angamba karazan-tsakafo mitovy foana no omeny azy, ka izay no nampitsoaka azy. Nasainy nomena sakafo hafa izy io. Gaga i Elena, fa notondroin’ilay pasitera ilay olona ampianariny Baiboly, ary hoy izy: “Izy ilay kisoa keliko!” Hoy koa izy: “Nangalarinao tamiko izy. Ajanòny izao dia izao ity fianarana ity, ary aza averina intsony.” (Manam-pahefana be eo an-tanàna ny pasitera any Samoa.) Nitomany ilay vehivavy. Nampanginin’i Elena izy, ary nohazavainy taminy fa efa nilaza ny Baiboly hoe hisy zavatra toy izany hitranga amin’ireo mianatra Baiboly.Novan’i Elena ny andro sy ora ary ny toerana nanaovana ilay fianarana. Hoy izy: “Tsy natao teo anoloan’ny trano intsony ny fianaranay, fa natao tao amin’ny efitra kely tao ambadiky ny tranon’ilay vehivavy. Nafana be tao, nefa mba nitohy tsara ny fianaranay. Nanao izany nandritra ny roa volana izahay. Indray andro anefa, tonga tampoka ilay pasitera, rehefa vita ny vavaka fanokafana ny fianaranay. Noheveriko fa hampitsahatra ilay fianarana no anton-diany, kanjo niova izy.”
Nanatrika teo izy, ary nametraka fanontaniana mihitsy. Nilaza tamin’ilay vehivavy izy, taorian’ilay fianarana, hoe: “Misy zavatra tiako holazaina anao. Nankany an-drenivohitra izahay omaly, nefa simba tany akaikin’ny tanàna iray ny fiaranay. Nisy mpivady tanora sy tovolahy iray tonga nanampy anay nanamboatra ilay fiara. Tsy nety nandeha anefa ilay fiara,
ka nentin’izy ireo tamin’ny fiarany izahay, ary navelako any an-tranon-dry zareo ilay fiarako. Nisy Ny Tilikambo Fiambenana sy boky hafa tao anaty fiaran’izy ireo. Nieritreritra aho hoe angamba mpiara-mivavaka amin’ilay vehivavy mitsidika anao ireo olona ireo.”Namaly ilay vehivavy hoe: “Mazava ho azy fa marina ny teninao, satria zanak’i Elena ry zareo.” Niala tsiny izy, ary niteny hoe: “Tohizo ny zavatra ataonareo. Fantatro izao fa olona mahafinaritra sy be fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamelà ahy noho ny zavatra nolazaiko taloha. Hanampy ny olona ao am-piangonako hanova ny toetrany izao fampianarana izao.” Tsy natao tao amin’ilay efitra kely mafana tao ambadiky ny trano intsony ilay fianarana nanomboka teo, fa eo amin’ny toerana mangatsiaka kokoa, eo anoloan’ilay trano, sady hitan’ilay pasitera tsara. Tsy nanelingelina azy ireo intsony ilay pasitera nanomboka teo.
Saipan: Nanohina lalina ny fon’i Helen ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Misionera no nampianatra azy ny Baiboly, ary tiany ny haneho ny fankasitrahany ny zavatra nianarany. Nanolotra poketra lamba an’ilay misionera i Helen, rehefa vita ny fianarana indray mandeha, ary hoy izy: “Tsy manana betsaka aho, nefa tiako hatao fanomezana ho an’ny asa fitoriana ity.” Nisy perla tsara tarehy avy any Pohnpei tanindrazany tao anatin’ilay poketra. Nilaza i Helen fa tokony hamidy ilay perla mba hahazoana vola hatao fanomezana. Tena tsara ilay perla, ary faly ny mpivarotra firavaka iray, nividy azy io 100 dolara (Ar 200 000 eo ho eo). Nomena an’i Helen ilay vola, mba hanapahany hevitra hoe ohatrinona no hatao fanomezana. Tsy noraisiny anefa ilay izy, fa hoy izy: “Arotsahy ao anaty boaty daholo.” Inona no nahatonga azy halala-tanana toy izany? Araka ny fanoharan’i Jesosy, dia nahita perla sarobidy kokoa izy. Tsy inona izany fa ny fanantenana momba ilay Fanjakana.—Matio 13:45, 46.
◼ EOROPA
Tany: 46
Mponina: 731 536 437
Mpitory: 1 498 142
Fampianarana Baiboly: 717 797
Bélarus: Nanatrika sekolin’ny mpisava lalana i Pavel sy Mayya, mpivady mpisava lalana manokana. Nandehandeha kely izy ireo, indray takariva, ary tsy nieritreritra ny hitory. Nentin’izy ireo ihany anefa ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra. Nahita vahiny roa izy ireo, ka tapa-kevitra ny hitory tamin’ireo. Hitan’izy ireo fa avy any Pakistan ireo lehilahy roa, ary niteny ourdou. Tsaroan’izy mivady fa nitondra an’ilay bokikely izy ireo, ka nomeny mba hovakin’ireo lehilahy ilay izy. Liana ny iray tamin’ireo lehilahy, ary nanaiky hianatra Baiboly. Tamin’io
herinandro io ihany dia tonga nivory izy. Tena nankahery azy ny fiarahana tamin’ny vahoakan’i Jehovah, ka nilaza izy hoe: “Efa telo taona aho izao no teto Minsk, nefa izao aho vao nahita tena Kristianina.” Mitohy ny fianarany Baiboly.Grande-Bretagne: Anti-panahy i Richard. Jamba izy, ka manana alika mpitarika atao hoe Irvin. Olana ho an’i Irvin ny fitoriana isan-trano, satria nofanina manokana izy mba hitadidy ny toerana rehetra alehan’i Richard. Nohazavain’i Richard tamin’ireo nanome an’ilay alika izany, ka nilaza izy ireo fa sarotra loatra ho an’i Irvin io karazana fanompoana io. Nilaza koa izy ireo fa tokony ho faritany be toeram-piasana no hiarahan’i Richard sy Irvin, mba hahazatra an’i Irvin amin’ireo toerana samihafa tsidihiny tsy tapaka. Hita eny amin’ny faritany be toeram-piasana foana àry i Richard, na dia somary sahirana aza. Nanjary zatra an’io fitoriana io anefa izy, noho ny fanampian’i Irvin.
Hongria: Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Nihaona tamin’ny lehilahy iray atao hoe Csaba izahay tamin’ny Mey 2004. Nilaza izy fa anisan’ny filan-kevitry ny fiangonana iray. Niresaka vetivety taminy izahay, dia lasa, satria teo am-panaovana zaridaina izy. Niverina izahay, roa andro tatỳ aoriana, nitondra boky Fahalalana sy nanomboka nampianatra Baiboly azy. Nilaza taminay izy, rehefa handeha izahay, fa simba ny fatany. Nilaza aho fa misy rahalahy mahay manamboatra azy io, ary homeko azy io ny nomeraon-telefaoniny. Niverina mba hanohy ny fianarana ireo rahalahy, nefa naverin’i Csaba ilay boky, ary najanony ny fianarana. Niantso azy momba ilay fanamboarana ny fatany ilay rahalahy noresahiko taminy, taorian’izay. Telo andro vao vitan’ilay rahalahy ilay fatana, ary niresaka momba ny fahamarinana tamin’i Csaba izy nandritra
izany. Niverina nianatra Baiboly ilay lehilahy, ary nianatra koa ny vadiny. Lasa mpitory tsy vita batisa izy tamin’ny Mey 2005. Nitsidika an’ilay fiangonany aho, ary niaraka taminy nanompo voalohany. Ny tena nampandroso azy dia ny toetran’ireo rahalahy sariaka sy nanampy azy, sy ny fahasamihafana hitany teo amin’ny fitondran-tenan’ny Vavolombelona tamin’ny an’ireo mpiara-mivavaka taminy.”Belzika: Niverina nitsidika ny vehivavy iray ny rahalahy iray. Eo amin’ny kihon-dalana no misy ilay trano, ary teo am-baravarana foana izy ireo no nifampiresaka. Rehefa niala teo amin’ilay trano ilay rahalahy, indray andro, dia nisy lehilahy nanatona azy, ary niteny hoe: “Milaza ny namako fa tsy tsara ny mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niaro anareo anefa aho, ary nilaza fa tsy marina izany. Lazaiko aminao ny marina. Matetika aho no mitondra ny alikako mandehandeha, ary mijoro eo an-joron-dalana mba hihaino ny resakao sy ilay madama ao amin’ilay trano. Ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Paradisa no noresahinareo matetika. Te hahafantatra bebe kokoa momba izany aho. Any amin’ny hopitaly ny vadiko, satria nisy nanafika azy, ka nanindrona antsy azy im-17. Tena kivy aho, ary tsy haiko intsony izay hatao.” Natomboka ny fampianarana Baiboly.
Italia: Nody avy niasa ny rahalahy iray, indray takariva. Efa teo akaikin’ny tranony ny fiara nentiny, rehefa nisy lehilahy roa nitondra môtô nahatratra azy. Namoaka basy ilay iray nipetraka tao aoriana, ary nasainy nijanona ilay rahalahy, ka nijanona. Novohany ny varavaran’ny fiara, ary nasainy nivoaka ilay rahalahy, sady nodidiany hanome ny vola rehetra tany aminy. Nanaiky ilay rahalahy. Niditra tao anaty fiara ilay lehilahy nitondra basy avy eo, ary saika hoentiny ilay fiara. Nahita Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah
tampoka tao anaty fiara anefa izy, ka nanontany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?”Namaly ilay rahalahy hoe: “Ie, f’ahoana?” Tsy namaly ilay lehilahy, fa nivoaka ny fiara, ary niala tsiny. Nasainy niverina nankao anaty fiarany ilay rahalahy. Nasain’ilay iray nitondra ny môtô naverina koa ny vola rehetra nalain’ilay namany.
“Mbola miala tsiny indray izahay”, hoy ilay lehilahy nitondra basy, rehefa nanakatona ny varavaran’ny fiaran’ilay rahalahy izy. Tsy nilaza ny antony niovany hevitra ireo lehilahy ireo, nefa hita fa nanaja ny Vavolombelona izy ireo.
Soeda: Nihaona tamin’ny lehilahy iray nandray boky Fahalalana ny mpitory iray tamin’ny Aprily 2003. Efa 90 taona teo ho eo ilay lehilahy. Nitety an’i Soeda izy taloha, ary naka sary fiangonana maro be. Nomena toeram-boninahitra tao amin’ny Fiangonana Soedoà izy, noho izany. Nanontanian’ilay mpitory izy raha nahita ny anaran’Andriamanitra tamin’ireny fiangonana ireny. Nasehony azy avy eo ny anaran’Andriamanitra teo amin’ny sarin’ny iray amin’ireo fiangonana eto Soeda. Nahaliana an’ilay lehilahy izany. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary tiany be ilay fianarana. Hoy izy: “Efa namaky ny Baiboly aho hatramin’ny mbola kely, ary nihevitra fa be ny zavatra efa haiko. Tsy nahalala na inona na inona anefa aho, raha ohariko amin’izao fantatro izao.” Tsy ela izy dia nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Efa 91 taona izy tamin’ny Jona 2005, rehefa nandray anjara voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Famakiana Baiboly io anjarany io. Mpitory izy izao, ary miezaka ny handroso ho amin’ny batisa. Nihaino Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 2003, satria nisy fandaharana nanaratsy antsika tao amin’ny televiziona. Tiany ho fantatra ny marina momba antsika, ka fantany izany izao.
[Sary, pejy 43]
Svetlana, Kirghizistan
[Sary, pejy 47]
Lucy, Ouganda
[Sary, pejy 52]
Graciela, Venezoelà
[Sary, pejy 55]
Renildo mianakavy, Brezila
[Sary, pejy 57]
Dale sy Peteli, Tuvalu
[Sary, pejy 57]
Cecilia, Nouvelle-Zélande
[Sary, pejy 58]
Elena, Samoa
[Sary, pejy 61]
Pavel sy Mayya, Bélarus
[Sary, pejy 61]
Richard sy Irvin alikany, Grande-Bretagne