Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
NITOMBO ny loza araka ny natiora tany amin’ny tany maro tato ho ato, anisan’izany ny tamin’ny taom-panompoana 2005. Nahakasika an’ireo rahalahintsika koa izany. Ho hitantsika anefa fa mifaneho fitiavana ny Kristianina iharam-pitsapana. Mihamatanjaka àry ny firahalahiana, ary voasarika ho amin’ny fahamarinana ny olona tso-po.—Mal. 3:18; Jaona 13:35.
Olona maro koa no nanjary nieritreritra lalina kokoa momba ny hoavy sy izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana, vokatr’ireo loza maro be. Tombontsoa tokoa àry ny antsika nanampy olona toy izany hahatakatra ny dikan’ireo zava-misy ankehitriny, tamin’ny alalan’ilay ezaka manokana nizarana ny bokikely Miambena Hatrany! Nanomboka ny 18 Oktobra
2004 io ezaka manokana io tany amin’ny tany maro, ary nahitam-bokatra tsara.Ezaka manokana nizarana ny Miambena!
Arzantina: “Iza no ho tafavoaka velona raha misy loza: Ny olon-dratsy ve, sa ny olona tsara, sa ireo manaraka fampitandremana?” Izany no fomba tsara nampidiran’ny anabavy iray ny bokikely Miambena! tany amin’ny faritany be olona tsy miraika.
Nametraka an’ilay bokikely tamin’ny tovolahy iray 16 taona ny Rahalahy Juan. Novakin’ilay tovolahy ilay izy, ary noresahiny tamin’ny rainy avy hatrany izay novakiny. Liana koa ilay rainy, ka namaky azy io sy nijery ny andinin-teny rehetra. Niaiky volana izy, ka nanomboka nianatra an’ilay bokikely niaraka tamin’ny ankohonany. Niresaka momba ny fianarana Baiboly tamin’ilay lehilahy i Juan, rehefa tafaverina. “Fianarana Baiboly ataon’ny fianakaviana mihitsy no ilainay”, hoy ilay lehilahy. Mazava ho azy fa natomboka ilay fianarana.
Frantsa: Nomen’i Jocelyne Miambena! i Alicia, efa nianatra Baiboly taloha. Noraisiny ilay bokikely, ary nanaiky hiara-mianatra azy io tamin’i Jocelyne izy. Tapa-kevitra ny hamaky Baiboly tsy tapaka koa i Alicia. Hoy i Jocelyne: “Tapa-bolana monja taorian’izay, dia nilaza izy fa nampilatsaka ny ranomasony ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny fiainan’i Jesosy.”
Nilaza tamin’ilay tovolahy niaraka taminy i Alicia fa tiany hatao ara-dalàna ny fiarahan’izy ireo, mba hampifaliana an’Andriamanitra, ary te ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy. Gaga izy, fa nilaza ilay tovolahy hoe: “Eny àry e! Tsy te hanakana anao tsy hanao izay takin’Andriamanitra aho.” Nanatrika fivoriamben’ny faritra voalohany i Alicia taorian’izay.
Madagasikara: Manan-janaka vavy roa i Nana. Efa nanatrika fivoriana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny izy, tamin’izy mbola zatovo. Tsy nandeha intsony anefa izy, rehefa nitsahatra tsy nanompo an’i Jehovah izy ireo. Nandray an’ilay bokikely avy
tamin’ny misionera iray i Nana, nandritra ny fizarana azy io, ary nanaiky hianatra Baiboly. Manatrika ny fivoriana rehetra miaraka amin’ireo zanany izy izao, ary miezaka ho tonga mpitory. Nanaiky hianatra amin’ilay bokikely koa ny ray aman-dreniny. Mitarika fampianarana Baiboly amin’ny tovolahy iray namany koa i Josia, 14 taona, anadahin’i Nana, ary manatrika fivoriana tsy tapaka io tovolahy io.Nizeria: Hoy ny mpisava lalana iray: “Nahafahako nanao fitoriana tao amin’ny tanànanay ny fahafatesan’ny reniko, nandritra ilay ezaka manokana. Nitomany sy niankohoka teo amin’ny tany ny havana, talohan’ny fandevenana. ‘Nahoana ianareo no manao toy izao?’, hoy aho. ‘Mampalahelo antsika rehetra ny fahafatesan’i Neny, nefa matory ao amin’ny fahafatesana izy. Hitsangana izy amin’ny fitsanganana amin’ny maty.’ Nitomany aho, sady nanokatra ny bokikely Miambena! teo amin’ny pejy 8, ary nanazava ilay sary momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nahapetraka bokikely 195 àry aho, ka Miambena! ny 45 tamin’ireo. Nahapetraka 100 tamin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2005 (mitondra ny lohateny hoe ‘Mbola Hitsangana ve ny Maty?’) izaho sy ny rahalahy hafa, tamin’ny fandevenana.”
Rosia: Hoy i Irina, mpisava lalana manokana any Zelenogradsk: “Nanolotra bokikely Miambena! tamin’ny vehivavy iray atao hoe Alla izahay sy ny rahavavy iray, ka nampandrosoin’ilay vehivavy. Tsy nisy dikany tamin’i Alla intsony ny fiainana, satria nanjary mafy fo loatra ny olona. Nalaminay ny fotoana hitsidihana azy indray. Niara-nandehandeha izahay sy ilay rahavavy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nandre feom-behivavy niantso anay. I Alla io. Nisaotra anay noho ilay bokikely izy, naka azy io tao anaty poketrany, ary nampiseho hevitra notsipihiny. Mianatra tsy tapaka amin’ny bokikely Takina izy izao.”
Niaraka i Vera sy Vitaliy vadiny, tany an-toeran-kafa any Rosia, ary nijanona teo amin’ny tranokely fivarotan-gazety eo amoron-dalana, izay niasan’i Lyuda, olom-pantatr’i Vera. Nilaza i Lyuda fa tsy te hiresaka Baiboly amin’ny Vavolombelona, ka saika
tsy hanome an’ilay bokikely i Vera. Nampirisihin’i Vitaliy anefa izy, ka natolony ihany ilay bokikely ary noraisin’i Lyuda. Niantso an-telefaonina azy i Lyuda, roa andro taorian’izay. Hoy izy: “Be dia be ny zavatra nianarako tao amin’ilay bokikely, ary inoako fa vao mainka ho betsaka ny zavatra hianarako avy amin’ny fianarana Baiboly!” Nanomboka nianatra sy nanatrika fivoriana avy hatrany i Lyuda, na dia nanohitra aza ny fianakaviany. Mianatra koa ireo zanany mianadahy. Hoy i Vera: “Mahagaga fa tsy liana i Lyuda, taona vitsivitsy lasa izay, rehefa nomena boky Fahalalana. Ny bokikely Miambena! no nahatonga azy ho liana.”Venezoelà: Teo am-baravarana ny vadin’ny mpiandraikitra ny faritra iray no niresaka tamin’ny lehilahy iray sy ny vadiny ary ny zanak’izy ireo efatra. Nasehony ilay sarina Paradisa eo amin’ny pejy 16 sy 17 amin’ny bokikely Miambena!, ary nantitranteriny fa tokony hianatra momba an’Andriamanitra ny fianakaviana manontolo. Nasainy àry izy eni-mianaka mba hanatrika ny fivoriana ny alakamisy hariva, ary nanao fotoana teo amin’ny fiandrasana bisy teo akaiky teo izy ireo. Nankeo amin’ilay fiandrasana bisy ilay anabavy sy ny vadiny, nefa tsy nisy olona tonga teo tamin’ilay fotoana. Tsy fantatr’izy ireo mantsy fa nandeha tamin’ilay bisy teo aloha ilay fianakaviana, ka efa tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana! Mianatra Baiboly tsy tapaka izao ny dimy amin’ilay fianakaviana, ary manatrika fivoriana, na dia mandeha bisy lavitra sy lany vola amin’ny saran-dalana aza.
Nandondòna tao amin’ny trano iray ny anabavy mpisava lalana iray, nefa tsy nisy namaly. Niverina izy afaka kelikely, ary lehilahy zokiolona no hitany teo, vao nivoaka ny varavarana mihitsy. Nohazavain’ilay rangahy fa lalodalovana izy, ka tsy henony tsara ny olona mandondòna, na ela loatra izy vao tonga eo am-baravarana, ka efa lasa ilay olona. Nomen’ilay anabavy tamin’ny bokikely Miambena! izy, ary nasainy hanatrika fivorian’ny fiangonana.
Notantarain’ilay anabavy nandritra ny fivoriana io zava-nitranga io, nefa tsy fantany fa tena tonga tao ilay rangahy! Mampianatra Baiboly azy tsy tapaka izao ny rahalahy iray, ary manatrika ny fivoriana rehetra izy, sady maniry hitory ny vaovao tsara. Rehefa nanontaniana azy ny antony nanatrehany fivoriana voalohany, dia nakariny ilay bokikely Miambena! sady niteny izy hoe: “Noho ity bokikely ity!”
Fandikana Baiboly
Nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1896 ny fandaminan’i Jehovah no nividy Baiboly be dia be sy nizara azy ireny tamin’ny olona liana, tamin’ny vidiny mirary, latsaka ny 35 isan-jaton’ny tena vidiny aza indraindray. Nanao pirinty sy nanakambana Baiboly tao amin’ny fanontam-pirintiny ireo rahalahy, nanomboka tamin’ny 1926. Anisan’izany ny The Emphatic Diaglott sy ny King James, ary ny American Standard. Navoaka tamin’ny 1961 kosa ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, tamin’ny teny anglisy.
Ary ny fiteny hafa? Nanomboka nividy Baiboly avy tamin’ireo mpampanonta Baiboly ny sampana maro, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, ary ny vidiny nividianany azy ihany no nalainy. Mpandika teny tso-po no nanao ny sasany tamin’ireny Baiboly ireny, ka nampiasainy tao amin’ny fandikan-teniny mihitsy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nanala ny anaran’Andriamanitra anefa ny ankamaroan’izy ireny, tatỳ aoriana. Nisy nanao zavatra ratsy kokoa aza ankehitriny, ka ny anaran’ireo andriamanitra eo an-toerana no nasolony ny anaran’Andriamanitra! Ny Baiboly amin’ny teny chichewa (antsoina hoe Buku Loyera) ampiasaina any Malawi sy Mozambika ary Zambia, ohatra, dia mampiasa ny hoe “Chauta” eo amin’ny toeran’ireo litera hebreo efatra. Anaran’ny andriamanitry ny foko iray izy io, ary midika hoe “Ilay Lehiben’ny Zana-tsipìka.”
Maro koa ny zava-dratsy hafa. Lazain’ny fandikan-teny afrikanina iray, ohatra, fa dokotera mpimasy i Lioka. Novan’ny Baiboly any Tuvalu ny Joda 23, ka nadikany hoe: “Manehoa fitiavana lehibe amin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy; tandremo fotsiny sao hisy vokany aminao ny firaisana amin-dehilahy ataony.” Na ny hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy anefa, na ny hoe firaisana amin-dehilahy, dia tsy voatonona ao amin’ilay soratra tany am-boalohany!
Fikambanana mampiely Baiboly taloha no nitarika ny famokarana sy fizarana Baiboly. Ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana kosa tato ho ato no nomen’ny sasany tamin’izy ireny ny zo hanao pirinty sy hizara an’ireo Baiboly. Sady nampitomboin’ireo fivavahana anefa ny vidin’ny Baiboly any amin’ny tany sasany, no tsy tiany hividy azy ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Protestanta, ohatra, any Kirghizistan no manana ny zo amin’ny fandikan-teny kirghiz iray amin’ny Soratra Grika Kristianina. Matetika ireo rahalahy no anontanian’ny olona, rehefa te hividy an’ilay izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?” na hoe: “Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?” Raha mamaly hoe eny izy ireo, dia tsy mahazo Baiboly.
Noho izany sy noho ny antony hafa, dia nilaza ny Filan-kevi-pitantanana fa tokony hasiana fiheverana akaiky kokoa ny fandikana Baiboly. Misy amin’ny fiteny 35 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, ary amin’ny fiteny 20 fanampiny kosa ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Amin’ireo ekipa mpandika Baiboly 33 eran-tany ankehitriny, dia 19 no mandika ny Soratra Hebreo, 11 mandika ny Soratra Grika Kristianina, ary 3 mandika ny Baiboly Fanaovana Fikarohana. Olona telo ka hatramin’ny enina no ao anatin’ny ekipa iray mpandika Baiboly, amin’ny ankapobeny. Mampiasa fitaovana fandikan-teny amin’ny ordinatera izy ireo, ary manaraka fomba fiasa hatsaraina hatrany. Nisy ekipa sasany àry nahavita ny Soratra Grika Kristianina tao anatin’ny roa taona latsaka.
Inona no tsapan’ireo rahalahy, rehefa mahazo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteniny izy? Milaza ny fihetseham-pon’ny maro ny mpisava lalana iray avy any Albania.
Hoy izy: “Nitomany aho. Mbola tsy nahatsapa toy izany mihitsy aho, rehefa namaky ny Tenin’Andriamanitra. Tiako hankafizina ny andininy tsirairay!”Raharaham-pitsarana
Armenia: Nekena ho ara-dalàna ihany, nony farany, ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 8 Oktobra 2004, rehefa nanao fangatahana in-15. Mbola gadraina ihany anefa ireo rahalahy tanora, satria tsy mety hanao raharaha miaramila, noho ny feon’ny fieritreretany. (Isaia 2:4) Manantena isika fa hanome fahalalahana ara-pivavahana ho an’ireo rahalahintsika io fanoratana io, ka hahafahan’izy ireo hanafatra boky sy hanao fivoriambe. Nomena taratasy tany amin’ny doanina tokoa, tamin’ny Jona 2005, ny voalohany tamin’ireo boky nohafarana tamin’ny fomba ofisialy tany Armenia, ka nozaraina tamin’ireo rahalahy.
Aotrisy: Efa 30 taona mahery ny Vavolombelon’i Jehovah any no niady tany amin’ny fitsarana mba hekena ho fivavahana. Fangatahana dimy momba izany izao no any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Neken’io fitsarana io tamin’ny 1 Febroary 2005 ny hikarakara raharaha roa momba an’ireo rahalahy. Tsy ekena ho fivavahana mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah any Aotrisy, ka tsy nomena zo tsy hanao raharaha miaramila izy ireo. Neken’ilay Fitsarana ny handinika an’ilay fangatahana, tamin’ny 5 Jolay, na dia tsy nolazainy aza ny mety ho vokatr’izany.
Érythrée: Nosamborin’ny manam-pahefana tamin’ny 24 Janoary 2004 ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy 38, tao amin’ny Fiangonana Saba, any Asmara. Nisy 6 ka hatramin’ny 94 taona izy ireo. Tsy vita batisa ny sasany. Nohazonin’ny polisy nandritra ny telo alina izy ireo, vao nafahana ireo zandriny indrindra. Ireo 28 ambiny kosa nafindra tany amin’ny fonja tany ivelan’i Asmara. Nohidiana tao anaty kaontenera vy izy ireo, ka nafana be tao ny antoandro, fa nangatsiaka kosa ny alina. Nafahana tamin’ny 2 Septambra 2004, izany hoe fito volana tatỳ aoriana, ireo rahalahy be taona indrindra (94 sy 87 taona.) Nisy hafa koa Asa. 12:5.
nanaraka azy. Mbola misy enina migadra anefa, miaraka amin’ny rahalahy 16 hafa, ka ny 3 amin’ireto farany dia efa nogadraina nandritra ny 11 taona. Iangaviana ianareo mba hahatsiaro ireo rahalahy malala ireo, amin’ny vavaka ataonareo.—Frantsa: Efa noresahina tao amin’ny Diary 2001 fa nitaky hetra vaovao tamin’ny fanomezana ataon’ireo rahalahintsika ny fanjakana, anisan’izany ireo hetra nandritra ny efa-taona (1993-1996). Ny 60 isan-jaton’ny vola fanomezana rehetra no alainy, ankoatra ny sazy! Nitory tany amin’ny fitsarana ireo rahalahy, nefa resy tany amin’ny fitsarana ambany sy ny fitsarana ambony ary ny fitsarana tampony. Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izy ireo tamin’ny 25 Febroary 2005, ary nanome porofo fa misy fanavakavahana ara-pivavahana ilay izy.
Repoblikan’i Géorgie: Nihena be ny fanenjehana arahina herisetra. Azo hafarana izao ny bokintsika, ary tsy misy manakorontana ny fivoriana kristianina. Mbola tsy voavaha any amin’ny fitsarana anefa ny maro tamin’ireo herisetra taloha. Efatra ny fitoriana ny fanjakan’i Géorgie any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Izany dia mahakasika ny fanenjehana narahina herisetra nanjo an’ireo rahalahy, sy ny fanafoanana an’ireo fikambanantsika ara-dalàna, ary ny tsy fisian’ny fepetra noraisin’ny fitsarana. Neken’ilay fitsarana tamin’ny 6 Jolay 2004 ny handinika ny raharaha Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah Gldani miady amin’i Géorgie.
Alemaina: Rehefa nikambana i Alemaina roa tonta, dia nataon’ireo rahalahy izay hanamarinana fa fikambanana ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka teo ny ady naharitra 12 taona. Nolavin’ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana ilay hevitra hoe afaka mangataka tsy fivadihana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitondrana, na dia mety hifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany kristianina aza izany. Nandamina ilay raharaha ny
tohin’ilay fitsarana. Nodidian’ny Fitsarana Ambonin’i Berlin Momba ny Fitantanan-draharaha ny Fanjakan’i Berlin, tamin’ny 24 Martsa 2005, fa tokony homen’izy ireo zo ho fikambanana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Te hampakatra fitsarana ambony ny Fanjakan’i Berlin.Rosia: Voalaza tao amin’ny Diary 2005 fa namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Golovinsky tamin’ny 26 Martsa 2004 hoe voarara ny asantsika rehetra any Moscou. Nanjary olana nanomboka tamin’izay ny nitady trano hohofana hanaovana fivorian’ny fiangonana na fivoriambe. Manana Efitrano Fanjakana lehibe misy efitrano dimy anefa ireo rahalahy, ka fiangonana 44 sy antoko-mpitory 2 no mampiasa azy io. Tsy maintsy mivory any ivelan’ny tanàna ny fiangonana 17 eto Moscou, ka mandany vola be sady sahirana izy ireo. Ny 31 kosa manao ny fivoriany sasany na izy rehetra, any an-tranon’olona, ka vitsy kokoa no miara-mivory. Tsy nisy anefa ny voasambotra, na dia nisy foana aza ny fanelingelenan’ny polisy. Nakarina fitsarana ambony ilay didy tamin’ny 26 Martsa.
Nohenoina teo anatrehan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 9 Septambra 2004 ny raharaha Kuznetsov sy ny Hafa miady amin’ny Federasionan’i Rosia. Nanaiky daholo ireo mpitsara tao, tamin’ny 4 Oktobra, fa tokony hodinihina io raharaha io. Izy io dia mahakasika manam-pahefana nanome didy ny polisy mba hampitsahatra fivorian’ny fiangonana mampiasa baiko moana, tany Chelyabinsk, tamin’ny Aprily 2000. Nisy zavatra tsy ara-dalàna betsaka tamin’ny fitsarana teo aloha, ka nanasarotra an’ilay raharaha. Miandry ny didim-pitsarana isika.
Turkménistan: Voaheloka higadra 18 volana avy ny rahalahy telo, dia i Mansur Masharipov sy Atamurat Suvkhanov ary Vepa Tuvakov, satria tsy nety nanao raharaha miaramila, noho ny feon’ny fieritreretany. Voaheloka higadra herintaona kosa ny Rahalahy Begench Shakhmuradov. Nanoratra ho an’ny ambasadin’i Turkménistan any Washington ny birao momba ny lalàna
eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 16 Febroary 2005, nangataka ny hanafahana madiodio an’ireo rahalahintsika efatra ireo. Nafahana izy rehetra tamin’ny 16 Aprily, noho ny famotsoran-keloka manokana nataon’ny prezidàn’i Turkménistan. Nihazona sy nanadihady rahalahy sy anabavy maro ny polisy nandritra ny taona, mba hanerena azy ireo handa ny finoany. Tsy nahomby anefa izy ireo.Taona feno loza araka ny natiora
Loza mbola tsy nisy toy izany no nitranga tany amin’ny tany sasany tamin’ny 2004. Inona no vokatr’izy ireny teo amin’ireo rahalahintsika?
Carriacou sy Grenady ary Petite Martinique: Namely an’ireo nosy ireo ny Rivo-doza Ivan tamin’ny 7 Septambra 2004, ka nanimba na namotika tanteraka ny 90 isan-jaton’ny trano. Mampalahelo fa nitovy tamin’izany koa ny vokatry ny halatra nataon’ny maro! Very tamin’ilay loza ny ankamaroan’ny fananan’ireo rahalahy, ary simba be ny roa amin’ireo Efitrano Fanjakana enina any Grenady. Tsy nisy rahalahy naratra mafy anefa.
Tamin’ny 1955 no nisy rivo-doza lehibe farany namely tany. Nanoro hevitra an’ireo fiangonana anefa ny sampan’i Barbade, mikarakara an’ireo nosy ireo, mba hanao fandaharana manokana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, hiresahana momba ny fiomanana amin’ny rivo-doza. “Inona koa no andaniantsika fotoana hiresahana rivo-doza, nefa misy raharaha lehibe kokoa noho izany?”, hoy ny anabavy iray tany Grenady. Mazava ho azy fa tsy hisalasala hanaraka ny toromariky ny fandaminana intsony izy, taorian’ny Rivo-doza Ivan! Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky haingana ny sampana. Nanampy koa ny sampan’i Guyana sy Trinité. Nisy rahalahy an-jatony avy tany Karaiba sy Etazonia tonga nanampy tamin’ny fanorenana.
Jamaika sy Nosy Caïmans: Tsy nisy rahalahy naratra mafy na matin’ny Rivo-doza Ivan tany, nefa maro no very fananana. Nifandray tamin’ireo mpitory avy hatrany ny anti-panahin’ireo
fiangonana 199, raha vao nihatsara ny andro. “Tena mifampiahy ianareo”, hoy ny olona.Haïti: Avy be ny orana tany amin’ny faritra avaratr’i Haïti tamin’ny Septambra, vokatry ny Rivo-doza Jeanne. Tondraka àry ny rano, ka niharan’izany ny tanàna amoron-tsirak’i Gonaïves sy ny manodidina. Nisy olona niakatra tany ambony tafo mba handosirana ny rano, nefa tonga hatreny amin’ny lohalik’izy ireo ihany ny rano! “Renay nisy trano nianjera sy olona nikiakiaka nandritra ny alina”, hoy ny rahalahy iray. Olona 2 900 no matin’ilay tondra-drano, anisan’izany ny anabavy iray 83 taona.
Hoy ny rahalahy iray: “Misaotra an’i Jehovah aho, satria navelan’ny ankohonako ny fanananay, ka tafavoaka velona izahay.” Afaka andro vitsivitsy, dia nitondra sakafo sy rano madio ny Vavolombelona avy amin’ny tanàna manodidina. Nizara fanampiana iray kamiao koa ny sampana. Nanatrika fivoriana kristianina sy nitory daholo ny rehetra ny faran’ny herinandro, na be aza ny asa teo amin’ny fanadiovana. Hoy ny anabavy iray: “Olona 40 no niasa tao an-tranoko nandritra ny efatra andro. Nolokoan’izy ireo mihitsy aza ny tranoko! Nampiaiky volana an’ireo fianakaviako tsy Vavolombelona izany, ka nanomboka nianatra ny iray tamin’izy ireo.”
Etazonia: Nisy rivo-doza efatra namely ny fanjakan’i Floride tamin’ny Aogositra sy Septambra 2004, dia ny Rivo-doza Charley, Frances, Ivan, ary Jeanne. * Simba ny trano 4 300 mahery an’ireo rahalahy, sy ny Efitrano Fanjakana folo, fara fahakeliny. Nojeren’ny lehiben’ny Komitin’ny Fampandehanana ny Asa Vonjy Rano Vakin’i Floride taorian’izay, raha nampiasaina araka ny tokony ho izy ireo fanampiana. Nilaza io manam-pahefana io fa tsy misy antokon’olona voalamina kokoa noho ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza tamin’ny komitin’ny vonjy rano vaky izy, fa afaka mangataka izay rehetra ilainy izy ireo.
Nisy fiangonana iray nampiasa trano nohofana 50 dolara isaky ny fivoriana. Simba be koa anefa io trano io taorian’ilay rivo-doza voalohany. Nisy olona nokaramaina hanamboatra azy io, nefa tsy vita ilay asa. Niresaka tamin’ireo tompony àry ireo rahalahy, ka nahazo alalana hanamboatra azy io, sy nanomboka ny asa avy hatrany. Tsy naka hofan-trano nandritra ny telo volana ny tompon-trano.
Japon: Hoy ny mpilaza vaovao: “[Tamin’ny 2004] no betsaka indrindra ny rivo-doza namely an’i Japon hatramin’ny 1551 nanisana azy ireny.” Ratsy be ny andro tamin’ny Jolay tany amin’ny faritr’i Niigata sy Fukui, ka trano 34 000 mahery no simba, anisan’izany ny Efitrano Fanjakana iray sy trano 60 an’ireo rahalahintsika. Avy hatrany dia nanampy ireo Vavolombelona an-jatony avy amin’ny fiangonana manodidina. Voamboatra tanteraka ilay Efitrano Fanjakana, tapa-bolana tatỳ aoriana.
Nanadio sy nanisy fanafody ny tranon’ireo tsy Vavolombelona teo akaikin’ny efitrano koa ireo rahalahy. Nitomany sady nankasitraka ny lehilahy iray mpanohitra. Nandefa taratasy fankasitrahana ho an’ny komitin’ny vonjy rano vaky mihitsy aza ny mpitondra teo an-toerana.
Nisy rivo-doza roa namely an’i Japon tamin’ny Septambra sy Oktobra. Tondraka ny rano ary nihotsaka ny tany. Maty ny rahalahy iray sy anabavy iray, ary sahirana ny Vavolombelona 100 teo ho eo. Safotry ny rano i Toyooka, any amin’ny faritr’i Hyogo. Tondraky ny rano koa ny trano nivantanan’ny mpiandraikitra ny faritra, nefa nanampy tamin’ny fandaminana ny fanampiana ny tra-boina izy.
Tonga nanadio tao an-tranon’ny anabavy mpisava lalana iray ny mpitory, rehefa niala tsikelikely ny ranom-potaka nihoatra ny iray metatra tao an-tranony. Nihetsi-po be ny tompon-trano, izay tsy Vavolombelona. Hoy ilay anabavy: “Efa nandre momba ny fanampiana tra-boina ataon’ny fandaminan’i Jehovah aho, nefa izaho mihitsy izao no mahita an’ilay izy. Tena mirehareha aho manana an’i Jehovah Andriamanitsika sy ny fandaminany.”
Nisy horohoron-tany lehibe koa namely an’i Japon tamin’ny Oktobra. Olona 40 no maty, ary 100 000 mahery no tsy maintsy nandao ny fonenany. Tsy nisy rahalahy naratra na maty, na dia nisy fianakaviana 200 mahery aza niharan’ny vokatr’ilay izy. Efitrano Fanjakana iray koa no tsy azo nampiasaina intsony. Teo am-pivoriana ho fanomanana ny fivoriamben’ny faritra ireo anti-panahy, rehefa niseho ilay horohoron-tany. Inona no nataon’izy ireo? Nanaraka ny toromariky ny biraon’ny sampana sy ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana izy ireo, ka nandamina avy hatrany ny fanampiana ny tra-boina. Hoy ny anti-panahy iray: “Nampahatsiahivina anay fa tokony ho olona araka ny fanahy izahay, eo am-piatrehana fisehoan-javatra toy ireny.” Natao ilay fivoriamben’ny faritra, ary nanatrika koa ireo niharan’ny vokatr’ilay horohoron-tany.
Manambady tsy Vavolombelona ny anabavy iray, ary simba ny tranon’izy ireo. Hoy izy: “Nampihetsi-po ny vadiko ny zava-nitranga tamin’iny horohoron-tany iny.” Hitan’ilay lehilahy ny fifankatiavana kristianina, nandritra ny fanampiana ny tra-boina, ka nanomboka nanatrika fivoriana izy. Hoy izy: “Afaka matoky
tanteraka ny fivavahanareo aho. Tsy handao anay mihitsy izy io.”Philippines: Namely an’i Quezon sy Aurora ireo rivo-doza tamin’ny faramparan’ny 2004. Maty ny fianakaviana Vavolombelona iray nisy ankizy efatra, satria safotry ny rano sy ny fotaka ny tranon’izy ireo. Tany Quezon i Felimon Maristela, mpiandraikitra ny faritra, rehefa tonga ilay ranotrambo. Hoy izy: “Tsy ela dia tondraky ny rano ny Efitrano Fanjakana, ary lasan’ny rano ny fiarako. Teo ambony tafon’ny Efitrano Fanjakana izaho sy ny vadiko ary ny rahalahy iray, nandritra ny alina. Tonga hatreo amoron’ny tafo ny rano. Nidina aho tamin’ny 3.00 hariva ny ampitson’iny. Mbola hatreo amin’ny tratrako ny rano.”
Lasa nitady an’ireo mpitory ihany anefa ny Rahalahy Maristela, mba hahitana hoe nanao ahoana izy ireo. Afaka nandeha helikoptera ny anti-panahy iray tany Dingalan, any Aurora, nefa naleony nijanona, mba hahafahany hanampy ny rahalahiny sy anabaviny.
Tsunami nahafaty olona be indrindra hatramin’izay
Niteraka ny tsunami nahery vaika indrindra hatramin’izay ny horohoron-tany nahatratra 9 tamin’ny mari-drefy Richter, tany Sumatra, any Indonezia, tamin’ny 26 Desambra 2004. Tombanana ho 280 000 mahery ny olona maty sy tsy hita popòka! Hatrany Somalia, Afrika, any amin’ny fari-dranomasina andrefana lavitra aza, nisy 290 teo ho eo no maty.
Indonezia: Tany no be maty indrindra, nefa tsy nisy rahalahy na olona liana maty. Nisy herisetra tany amin’ny faritr’i Aceh talohan’izay, ka Vavolombelona maro no efa niala tao. Tsy tratran’ilay loza àry izy ireo, na dia tany aza no voa mafy indrindra. Voa mafy koa ny nosin’i Nias, nefa afa-nandositra ireo rahalahy.
Inde: Tsy nisy rahalahy maty, saingy maro no namoy ny tranony sy ny fananany hafa. Teny am-panompoana ny Anabavy
Lakshmi, tany Pondicherry, rehefa nandre momba ilay tsunami. Nody izy, ka hitany fa simba be ilay tranony rotso-peta, telo kilaometatra teo ho eo niala ny morontsiraka. Nanadio sy nanamboatra azy io ireo rahalahy.Teo am-pilalaovana i Naveen, 13 taona, tany Madras, rehefa nahita onjan-dranomasina lehibe. Niantso ny reniny sy ny anabaviny izy, ka niara-nandositra tamin’izy ireo. Nisetra rano nifaoka zavatra maro toy ny fanaka an-tokantrano sy faty anefa izy ireo tamin’izany.
Teny amoron-dranomasina niaraka tamin’ny dadatoany sy ny zanaky ny dadatoany i Lini, fito taona, tany akaikin’i Kanniyākumāri, rehefa nifaoka azy hatrany an-tanàna ny onjan-dranomasina, ka nanipy azy teo amin’ny fefy hazo iray. Saron’ny rano foana izy. Tsy maty ilay dadatoany sy ny zanak’izy io, nefa very ny solomason’ilay dadatoany, ka tsy nahita tsara izy. Nitady an’i Lini foana anefa izy. Tsy ela izy dia nandre olona niantso an’i Jehovah tao anaty rano tao, ka hitany i Lini. Lazain’i Lini amin’ny rehetra izao fa nandre ny vavaka nataony i Jehovah.
Nosy Andaman sy Nicobar: Nitsidika havana i Mary sy Alwyn, zanany lahy valo taona, rehefa nisy horohoron-tany nampihetsika ilay trano. Nihazakazaka nivoaka izy rehetra. Nahita rindrin-drano nanatona ny morontsiraka i Mary. Tamin’izay indrindra no nisy bisy tonga. Niditra tao haingana izy sy ny zanany, dia lasa. Niverina nihazakazaka tao an-tranony anefa ny olon-kafa mba haka izay fananana azo nalaina, ka lasan’ny rano. Nandeha tsy lavitra loatra ilay bisy, rehefa nandre horohoron-tany hafa indray ny rehetra. Nialan’izy ireo ilay bisy, ary lasa izy ireo nihazakazaka nankeny amin’ny toerana avo, izay nisy olona 500 teo ho eo. Hitan’izy ireo maso ny rano nipaoka an’ilay bisy, ary tonga teo amin’ny antsasa-metatra akaikin’ny toerana nijoroany.
Niverina vetivety tao an-tranony i Mary, rehefa nihena ny rano. Naka Baiboly sy ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina
Isan’andro izy, satria ireo no hahazoany hery mandritra ireo andro nanaraka. Nisy vaovao nilaza fa hisy sambo hitondra ny olona hiala an’ilay nosy. Olona an-jatony àry no nihazakazaka nankeny an-dranomasina, niandry sambo. Niandry tao anaty rano hatreo amin’ny andilany i Mary sy ny zanany, nandritra ny ora maro isan’andro, ary feno faty nitsinkafona nanodidina azy ireo. Nisy sambo tonga naka azy ireo ihany, enina andro taorian’ilay tsunami. Maro no nanome tsiny an’Andriamanitra noho ilay loza, ka afaka nitory tsara i Mary. Mianatra Baiboly sy manatrika fivoriana mihitsy izao ny zaobaviny.Nankany amin’ny Helodranon’i Hut i Prasanthi sy Jehoash, zanany lahy dimy taona, mba hitsidika ny Rahalahy Prasad Rao, rain’i Prasanthi. Nandre ilay horohoron-tany izy ireo tany, ary nahita ireo onja, sy nandositra ho any amin’ny toerana avo. Nahatratra dimy metatra ambonin’ny lalana ny rano, ka nandrakotra ny tranon’i Prasad. Nentin’ny rano daholo ny fandriany, ny tele, sy ny vata fampangatsiahana ary ny tahirin’ny fiangonana tamin’ny boky Lehilahy Niavaka. Nahita tamin’ireo boky ny olona tsy maty, ka namaky azy ireny. Sakafo notsimponina no nohanin’i Prasad sy Prasanthi ary Jehoash nandritra ny dimy andro, ary niaritra moka sy lalitra be dia be izy ireo. Nandeha tao anaty rano hatreny amin’ny tratrany i Prasanthi sy Jehoash sy ny maro hafa, rehefa tonga ny sambo, mba ho eny amin’ireo mpamonjy voina, na dia nisy voay aza teny akaiky teny! Bevohoka enim-bolana anefa i Prasanthi. Tonga tatỳ aoriana ny rainy.
Lasan’ny rano daholo ny trano tany amin’ny Nosy Teressa. Nijanona tany anaty ala nandritra ny enina andro ireo rahalahy sy anabavy 13 tao, ka sady noana no nokaikerin’ny bibikely samihafa. Nentin’ny mpamonjy voina tany amin’ny Nosy Camorta izy ireo avy eo. Tany an-tranon’i Mark Paul izy ireo no nilasy. Rahalahy nipetraka teo amin’ny toerana avo izy io, ary ny tranony no natao Efitrano Fanjakana. Mbola aloha kokoa, tamin’ilay andro nisian’ny tsunami, dia tsy mpanatrika fivoriana 10 na 12 toy ny mahazatra no tonga, fa olona 300! Mpianatra
vaovao 18 no tonga nivory tsy tapaka taorian’izay. Hitan’izy ireo mantsy ny fifanohanana feno fitiavana teo amin’ny vahoakan’i Jehovah.Sri Lanka: Namely ny roa ampahatelon’ny morontsiraka ny onja, ka nanimba zavatra betsaka. Ny alahady maraina no namely ilay tsunami, nefa tany am-pivoriana ny ankamaroan’ireo rahalahy, ka lavitra ny loza. Fiangonana folo no voakasika, ary anabavy iray no maty, rehefa lasan’ny ranomasina ny tranony. Tena nalahelo noho ny fahafatesan’io anabavy mahafinaritra io ireo mpiara-manompo. Maro koa ny olona liana maty, ary rahalahy maro no maty havana. Nisy 27 ny havan’ny anti-panahy iray no maty. Na izany aza, hoy ny sampana, dia “nahay niatrika an’io loza io ireo rahalahy, ary tsy nanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah izany.”
Feno fanampiana vonjy rano vaky tao amin’ny Betela, ary nifantoka tamin’ny fanampiana tra-boina ny ankamaroan’ny Betelita. Nitondra an’ireo fanampiana tany amin’ny toerana niharan-doza ireo rahalahy nanana fiara. Efatra andro monja dia fantatra hoe aiza ireo rahalahy rehetra, ary nomena sakafo sy fitafiana. Rehefa nanontaniana izay zavatra hafa nilainy izy ireo, dia niteny hoe: “Baiboly sy boky! Lasan’ny rano mantsy ny anay.” Nokarakaraina avy hatrany izany.
Tany Colombo i Gerrad Cooke, mpiandraikitra ny faritra, tamin’izany. Nitondra fiara nandritra ny adiny fito izy, nefa nampidi-doza
izany rehefa maizina ny andro, noho ny fisian’ireo elefanta dia. Tonga izy tamin’ny 10.30 alina. Lasa avy hatrany izy sy ny rahalahy iray (safotry ny rano koa ny tranon’io rahalahy io) nitsidika fianakaviana maro sy nizara ny fanampiana. Tsy nitsahatra izy ireo, raha tsy efa nazava ratsy ny andro.Tailandy: Tsy nisy naratra na maty ireo rahalahy teo an-toerana, ary tsy very koa ny fiveloman’ny ankamaroany. Tsy hita anefa ny rahalahy vahiny sasany mpanao vakansy, ka heverina fa maty. Anisan’izany ny rahalahy failandey iray, mpivady soedoà iray, rahalahy aotrisianina iray, ary ny vadin’ny anabavy iray tsy Vavolombelona. Nisy mpivady soedoà roa niaraka tamin’ny mpitory nitory lavitra ny morontsiraka. Fahafatesana sy faharavana no hany hitan’izy ireo, rehefa tafaverina tao amin’ny hoteliny izy ireo.
Naharay telefaonina avy tamin’ny sampan’i Tailandy ny mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny Fiangonana Phuket, ny alatsinainy maraina taorian’ilay horohoron-tany. Nilaza io antso io fa any amin’ny hopitaly, miala adiny iray sy sasany avy eo, ny anabavy failandey iray atao hoe Kristina. Nankany amin’ilay hopitaly avy hatrany io rahalahy io sy ny rahalahy iray hafa. Hoy ilay mpiandraikitra mpitantan-draharaha: “Mbola tsy nahita fahoriana toy izany aho hatrizay niainako: olona very vady, ray aman-dreny very zanaka, ary zanaka very ray aman-dreny. Nisy nitomany nangataka fanampiana, ary ny hafa kosa nibanjina fotsiny ny rindrina na ny gorodona. Tena nampalahelo be ilay zava-nisy, ka tsy maintsy nivoaka naka rivotra tsindraindray izahay, ary nivavaka mba hahazoana hery.”
Nomanina hodidiana tongotra tapaka i Kristina, rehefa hitan’ireo rahalahy. Very daholo ny taratasiny. Niara-nivavaka taminy ireo rahalahy roa, rehefa vita ny fandidiana, ary nijanona teo aminy, hatramin’ny misasakalina. Nandray fiaramanidina ho any Failandy i Kristina, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Be fahoriana i Kristina, nefa “be herim-po sy natanjaka”, hoy ireo rahalahy. Nampalahelo fa maty tamin’ilay tsunami ny vadiny.
Fitokanana sampana
Angola, 8 Janoary 2005: Niavaka io andro manokana io, teo amin’ny asa fitoriana tany Angola, izay rotiky ny adim-poko nandritra ny 40 taona latsaka kely. Nahazo tombontsoa roa sosona i Stephen Lett, satria nanao ny lahateny fitokanana ny tranon’ny sampana voalohany tany Angola, sady voalohany tamin’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nitsidika tany. Solontena 730 avy amin’ny tany 11 no nanatrika an’ilay fandaharana. Nahoana no nilaina io tranon’ny sampana vaovao io? Mpitory 3 055 no tany, tamin’ny 1975. Nitombo avo 18 heny anefa izany tamin’ny faran’ny 2004, satria lasa 54 000!
Boligaria, 9 Oktobra 2004: Nanao ny fanorenana an’ilay tranon’ny sampana vaovao tany Sofia ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 150 sy ny rahalahy 300 avy teo an-toerana, nandritra ny telo taona mahery. I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana, ary solontena 364 avy any amin’ny tany 24 no nanatrika.
Etiopia, 20 Novambra 2004: Tany amin’ny toerana sivy samy hafa no nipetraka ireo mpianakavin’ny Betela 60, tamin’ny fiandohan’ny 2004. Tena tsy nety izany! Eo amin’ny havoana any amin’ny sisiny atsinanan’i Addis-Abeba renivohitra no misy an’io Betela vaovaon’izy ireo io, ary 2 400 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Mangina be ny alina, ka ny hehin’ny hyène ihany indraindray no mba re. Mpanatrika 2 230 no nihaino ny lahatenin’i Gerrit Lösch, ka solontena 200 tamin’ireo no avy any amin’ny tany 29. Nadinadinina tamin’izany ireo niaritra fampidirana am-ponja sy fampijaliana mihitsy noho ny finoany. Nilaza toy izao ny zanakavavin’ny rahalahy iray novonoina ho faty: “Ho faly i Dada, rehefa tafatsangana, satria nanaraka ny ohatra nomeny aho, ka nahafoy tena ho an’Andriamanitra sy nanompo teto amin’ny Betela.”
Ghana, 5 Martsa 2005: Mpanatrika 3 243 no nihaino an’i Malcolm Vigo, avy any amin’ny sampan’i Nizeria, nanao ny lahateny fitokanana. Trano fanampin’ireo tranon’ny sampana ireo
notokanana ireo, dia trano fonenana telo, birao 50, tranon’ny mpanao fikojakojana iray, Efitrano Fanjakana iray, efitrano fisakafoana iray, lakozia iray, ary trano fanasan-damba iray.Guam, 25 Jona 2005: Ity no fitokanana fahatelo natao nanomboka tamin’ny 1980. Mbola fiangonana iray no tany tamin’izany, nefa misy fiangonana folo any izao. Fanavaozana no natao, ankoatra ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray sy trano fonenana misy rihana. Nisy 100 ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena avy any Aostralia sy Etazonia, izay samy nianto-tena avokoa. Rehefa nandre izany sy nahita ny hatsaran’ny asa ny tompon’andraiki-panjakana teo an-toerana, dia “nihatokato-doha, saika tsy nino”, hoy ny sampana. I Lorence Shepp, avy any sampan’i Peroa no nanao ny lahateny fitokanana.
Maorisy, 6 Novambra 2004: I Gerrit Lösch no nahazo tombontsoa hanao ny lahateny, rehefa notokanana ny fanitarana ny sampana efa teo. Naorina tamin’izany ny birao vaovao 12 an’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny sy trano vaovao ho an’ny fikojakojana. Nisy mpitsidika avy any Afrika Atsimo, Eoropa, La Réunion, Madagasikara, Mayotte, ary Seychelles.
Nikaragoà, 4 Desambra 2004: Mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 330 mahery, sy rahalahy an-jatony avy eo an-toerana no nanorina an’ireo birao sy trano fonenana vaovao, niaraka tamin’ny Efitrano Fivoriambe tsy misy rindrina, mahazaka olona 2 400. I Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Anisan’ireo mpanatrika ny misionera nanompo tany Nikaragoà taloha. Tena faly izy ireo, rehefa nahita ny olona nampianariny Baiboly taloha, niaraka tamin’ny zanak’izy ireny, ary nisy niaraka tamin’ny zafikeliny koa aza!
Panama, 19 Martsa 2005: Mpanatrika 2 967 no nihaino ny lahatenin’i Samuel Herd, ka efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny 20 taona mahery ny ankamaroan’ireo. Nanofa grue niaraka tamin’ny mpitondra azy io ireo rahalahy, tamin’ny fanombohan’ny asa, mba hamindrana ny fitoeran’entana. Tsy nety
nanao an’ilay asa anefa ilay mpitondra azy io, rehefa tonga, ary nilaza fa tsy voaomana tsara ilay toerana. Niezaka nandresy lahatra azy, ireo rahalahy, nefa tsy nisy vokany izany. Efa handeha izy, vao nanontany hoe: “Inona moa ny fivavahanareo?”“Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ireo rahalahy.
Nieritreritra kely izy, ary niteny hoe: “Ndao àry hatao ilay asa e!” Nahoana izy no niova hevitra tampoka? Misy anabavy roa mampianatra Baiboly ny zanany, ka tiany ny zavatra ataon’ireo anabavy.
Slovakia, 16 Aprily 2005: I Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana, ary solontena 448 avy any amin’ny tany 21 no nanatrika. Nisy fivoriana manokana natao tao amin’ny kianja filalaovana ny ampitson’iny, ka maro no tonga tamin’ny bisy. Hoy ny mpamily iray: “Olona tena mahafinaritra sy falifaly ianareo. Miarahaba ahy daholo ianareo! Fantatro ny antony. Noho ny finoanareo. Mitatitra mpianatra sy mpampianatra aho matetika. Izaho aloha no miarahaba an’ireo ankizy, ary ireo mpampianatra kosa dia tsy mihevitra ny hiarahaba ahy akory!”
Wallkill, New York, Etazonia: 16 Mey 2005: “Tapa-kevitra isika rehetra mba hanokana an’ity trano fanontam-pirinty vaovao ity sy ireo trano fonenana A sy C ary D, mba ho an’i Jehovah ilay Andriamanitra tokana sy marina”, hoy i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny lahateny fitokanana. Tamin’ny 1 Mey 2003 no natomboka ny fototr’ilay trano fanontam-pirinty. Valo volana tatỳ aoriana dia nafindra tao ny voalohany tamin’ireo milina fanontam-pirinty.
Nanome mpiasa mahay ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana eran’i Etazonia, indrindra fa ny avy tamin’ireo fanjakana akaiky. Mpikarama kosa no nanao ny asa sasany. “Tsy vitako ny mandoa ny karaman’ny mpiasako raha toy ny anareo ny fiasany”, hoy ny iray. “Miasa amin’ny fonareo ianareo.” Nilaza kosa ny mpitantana iray hoe: “Mbola mihoatra noho izay azoko nandritra ny dimy taona tany am-pianarana ny zavatra
fantatro sy nianarako teto mahakasika ny asako, nandritra izay volana vitsivitsy teto izay!” Nilaza toy izao ny solontenan’ny orinasa iray: “Noho ianareo, dia ity no asa haingana indrindra nataonay hatramin’izay. Falifaly daholo ianareo, ka manjary faly koa aho! Mahafinaritra ity toerana ity.”Nanana milina fanontam-pirinty offset 15 ny sampan’i Etazonia, taona vitsivitsy lasa izay, ka ny 11 tany Brooklyn, ary ny 4 tany Wallkill. Dimy monja izy ireo izao, noho ny teknolojia avo lenta kokoa sy ny fizarana asa tamin’ny sampana hafa, ao anatin’ilay fandaharana fanontam-pirinty isam-paritra. Misy fitaovana manokana koa ao amin’ilay toerana. Io no manangona ny taratasy notapahina avy any amin’ny efitrano fanontam-pirinty sy ny fanakambanam-boky ary mitatitra azy ao anaty fantsona eny ambony, mankany amin’ny fitaovana manokana mamatotra mafy an’ireo tapa-taratasy. Misy orinasa mividy an’ireo poti-taratasy efa voafatotra, ka 200 000 dolara isan-taona no vola voatsitsin’ny sampana!
Zambia, 25 Desambra 2004: Efa ho 700 ireo nanatrika an’ilay fitokanana ny fanitarana ny sampana, ka nanompo an’i Jehovah nandritra ny 40 taona mahery ny 374 tamin’ireo! Nilaza tamin’ny mpanatrika i Stephen Lett, tamin’ny lahateny fitokanana, fa toy ireo mpanompo tao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy ireo nandray anjara tamin’io tetikasa io, ka mendrika ny hilazana amin’ny fo manontolo hoe: “Tsara izany!”—Matio 25:23.
Nanao fitoriana tsara koa ireo rahalahy, tamin’ny fanorenana. “Ao amin’ny paradisa ianareo”, hoy ny mpiasa iray tsy Vavolombelona.
“Paradisa ara-bakiteny ve sa ara-panahy?”, hoy ireo rahalahy.
“Izy roa mitambatra!”, hoy izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 40 Holazaina amin’ny tatitra any aoriana ny tsipirian’ny Rivo-doza Katrina.
[Efajoro/Sary, pejy 29]
Fivoriambe “Mankatoava An’Andriamanitra”
Nohazavaina tamin’ny Fivoriambe “Mankatoava An’Andriamanitra” fa ireo “mahalala an’Andriamanitra” sy “mankatò ny vaovao tsara” ihany no tsy ho faty amin’ny andro famalian’i Jehovah. (2 Tes. 1:6-9) Manao izay rehetra azontsika atao àry isika mba hanampiana an’ireo sahiran-tsaina tsy mahafantatra an’Andriamanitra, na sosotra aminy mihitsy, noho ny fahorian’izao tontolo izao. Fanampiana vaovao sady tsara ho antsika ilay trakta hoe Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra! sy ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hampahery ny maro ilay trakta vaovao, satria maro no ianjadian’ny vokatry ny ady, fahantrana, loza, tsy rariny, ary aretina. Hanampy azy ireo mantsy izy io mba hahita fa tsy Andriamanitra no mahatonga ireny zavatra ireny. Hahafinaritra an’ireo mitady ny fahamarinana momba an’Andriamanitra koa ilay boky vaovao. Mahaliana sy tsotra ary mazava ny fomba nanoratana azy io. Manasongadina ny hevi-dehibe ireo sary sy teny ao anatiny. Aza hadinoina ny mamaky ireo foto-kevitra 14 hafa ao amin’ny fanazavana fanampiny, alohan’ny hitarihanao fampianarana Baiboly amin’izy io.
[Tabilao/Sary, pejy 12, 13]
ZAVA-NITRANGA VITSIVITSY TAMIN’NY TAOM-PANOMPOANA 2005
1 Septambra 2004
8 Oktobra: Voasoratra ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Armenia.
9 Oktobra: Notokanana ny sampan’i Boligaria.
18 Oktobra: Nanomboka ny fampielezana manokana ny bokikely Miambena!
6 Novambra: Notokanana ny sampan’i Maorisy.
20 Novambra: Notokanana ny sampan’i Etiopia.
4 Desambra: Notokanana ny sampan’i Nikaragoà.
25 Desambra: Notokanana ny sampan’i Zambia.
26 Desambra: Niteraka ny tsunami nahery vaika indrindra hatramin’izay ny horohoron-tany nahatratra 9 tamin’ny mari-drefy Richter, tany Sumatra, any Indonezia.
1 Janoary 2005
8 Janoary: Notokanana ny sampan’i Angola.
5 Martsa: Notokanana ny sampan’i Ghana.
19 Martsa: Notokanana ny sampan’i Panama.
24 Martsa: Namoaka didy ny Fitsarana Ambonin’i Berlin Momba ny Fitantanan-draharaha, fa tokony hekena ho fikambanana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Berlin.
16 Aprily: Notokanana ny sampan’i Slovakia.
1 Mey 2005
16 Mey: Notokanana ny fanontam-pirinty sy trano fonenan’i Walkill, New York.
25 Jona: Notokanana ny sampan’i Guam.
31 Aogositra 2005
[Sary, pejy 20]
Manadio Efitrano Fanjakana simban’ny tondra-drano, any amin’ny Faritr’i Niigata, Japon
[Sary, pejy 24]
Mizara fanampiana tra-boina, Sri Lanka